url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera4/very-fotoana
VERY FOTOANA
Fredy Jaofera4
VERY FOTOANA Very fotoana fa nanoloana olo-nandavo, nanjavozavo. Very fotoana fa nanafoana izay faniriako tsy hafaliako. Very fotoana ka na ahoana tonga nenina vao tenenina. Very fotoana fa tsy moana ny fiadanana nosakanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ilay-masoandro
ILAY MASOANDRO
LAVENONA
ILAY MASOANDRO Dify ilay masoandro nanazava hatrizay Fa tonga ny hariva izay tsy maintsy hialany Ka manomboka eto dia toeran-kafa indray no ho hazavainy sy omeny ny hafanany Lasa ilay masoandro ka ny alina no solony Arahin'aizim-pito sy ny akon'ny jorery Hany ka mangina sady gina ny tontolony Nilaozana hazavana ka manjonitra irery Iny tara-bolana iny ,izay tandindonao Ry masoandro o! Avelao hijanona eto ! Fa iny no mba hany hahatsiarovako anao No sady fanafodiko hanafaka ny sento Betsaka ny vitany ka tsy afaka levonina Tsy aiko hofafana fa miraikitra ao an-tsaina Tsy afaka manoatra ka hiezaka aho hionona Fa mbola hiaona isika rehefa tonga ny maraina .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ilay-fitiavantsika
ILAY FITIAVANTSIKA
LAVENONA
ILAY FITIAVANTSIKA Mpinamana isika ,efa hatramin'ny mbola kely Niaraka nianatra ary koa niray tanàna ! Tsy nifankafoy na nifanary velively fa... niara-nilalao sy nilomano aza mazana ! Noho ny tendri-piainana izay tsy afaka nialana ! Dia tapaka tsy fidiny ny fifandraisantsika ! Ny tenako namonjy ny sekolim-panjakana Fa ianao indray nijanona sekoly Katolika ! Dia lasa teny ny andro, niodina ny taona ! tsy hitahita akory dia lehilahy lehibe ny tena ! Isika te hiresaka fa tsy haiko hoe nahoana... mifanopy maso fotsiny raha sendra mifanena ! Dia sanatria adino ve ilay namana fahazaza e ? Sa odian-tsy fantatra ireo niainana fahiny ? Hevi-diso izany fa ny tena marina aza... niova ho fitiavana ilay izy ankehitriny ! Taty aoriana kely ,fotoana mba tsaroako ! sendra mba niraisana ny fiara nandehanana ! tsy nisalasala aho fa nandrisika ahy ny foko nanomboka niresaka na aza aho tsy havanana... miresaka vehivavy...! Tsy haiko hoe inona avy.... no hanombohako ny tafa! Ianao koa tsy niavona na koa nihafahafa... fa tsotra sy sariaka! Toa zary feno antsika ny tao anaty fiara Ianao niala Ambanidia...,moa izaho Ankorondrano Mbola tsaroko tsara...! Fotoana tena niavaka iny andro tokana iny ! Ora tena mamy tsy nanam-paharoa ! Satry mba haverina ka nefa ankehitriny... sarahan-dranomasina ny toerantsika roa ! Ka tsy afaka manoatra. ..! Vita ny fianarana ambaratonga ambony dia indro fa nitranga ny tendry tsy azo ferana ! nianatra any ivelany aho, tsy teto Dago intsony Fa kosa ianao nijanona nanohy teto an-toerana ! Zary toa tsy misy nefa ny elanelan-tany ! Tao ny alahelo fa...odian-tsy hita koa ! Nifampahery foana sady nifandray hatrany ! Dia tanteraka ilay teny hoe "ny ela maha iray roa!" Dia ireo fa niara-dia...! Afo tsy hay vonoina ny antsika ankehitriny ! Miredareda loatra , intsony tsy hangatsiaka ! Nataoko tononkalo ki ny fiainana fahiny a! Nomeko lohateny hoe" Ilay fitiavantsika"!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanaintainana
FANAINTAINANA
Fredy Jaofera
FANAINTAINANA Rehefa fiainana ny tebiteby sy ahiahy izay sarotra tenenina, ny fanaintainana no aingampanahy andehanan'ny penina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarina-rf/r-a-o-z-y
R A O Z Y
Miarina RF
R A O Z Y Izy no raozy Dorehitra mena Manana paozy Mateza jerena Ny angotin'ny raviny Manome hery Tsy misy an-tery Ny voany sy voniny Halofan'ny tahony Haingon'ny tonony , No hany solon' Ny vava sy molony Te haneho fitiavana Aminao izay mitazana ! Ny faka ao ambany Rakofan'ny tany Izay sisa tsy tazana No solom-bazana Mpitsakotsako Ny tsiro sy tsatson' Ny fiainany sisa Tsy hay tanisaina ! Ny hakanton'ny felany Solon'ny elany Mora malazo , Toa anao ihany Mba mijalijaly raha sendran'ny tazo ! Ny hirifirim-panala Sy ilay hafanana Mpanintsana ravina Tsy afaka hialan' Ny zotra diaviny No hany angatahiny Tondraka rano Aminao izay mpandalo !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ato-am-ponay-foana
ATO AM-PONAY FOANA !
LAVENONA
ATO AM-PONAY FOANA ! Toy ny nofy letsy raha ny fiainana fahiny a! Zary tsy mampino raha ny zava-misy androany hoe... ialahy ilay tena namana mpamalifaly iny no nantsoin-drafahafatesana niala teto an-tany ! Kanefa izay no lahatra ...! Toa tsaroako etoana ilay ialahy mitsiky... rehefa raikitra iny ny vazivazy kely ! Latsa-paka loatra raha ny finamantsika ka tsy ho voafafana mihitsy na adino tsy velively... na volana io na taona ! Dia....eto izaho misaona...! Mamadika ho rima...ny embona mandalo... Hitoetra ho fahatsiarovana tsy afaka vonoina ! Ny anaran'ialahy nataoko sombin-tononkalo*... Io no famantarana fa ato am-ponay foana... ny vitan'ialahy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/handeha-aho
HANDEHA AHO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Lasa aho ka handeha, Fa mialohan'ny andehanako: Hatsotrako ny tanako Hanao veloma anao. Fa mialoha izany, Ho faranako ny eto, Hatsahatro ny sento Izay azoko tatÿ. Tsy ataoko tsapa akory Fa rahona efa maro No nanaloka tatÿ. Dia ankoatr'zay, Ataoko tsara fafa Ilay endrikao Misoritra ato antsaiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tena-namana
TENA NAMANA
LAVENONA
TENA NAMANA Ny tena namana amiko ? Ilay tsy mba manary...amin'ny andro mahaory Tsy mamela irery raha sendra fahoriana Manohana eny foana... ary tsy misaina akory... ny hanisy ratsy izany, na oviana na oviana ! Ny tena namana amiko miaraka eny foana ! mampahery hatrany rehefa iny ianao tomany ! izy mampitraka raha sendra ianao misaona ! Tsy mandao mihitsy fa manampy hatrany hatrany ! Ny tena namana amiko ? miandry sy maniry ny fahombiazanao Ilay falifaly iny raha toa ianao tafita Na tsika na tomany dia eo foana tsy mandao ! mazana alahelovana raha tsy mifankahita ! Ny tena namana amiko, miavaka amin'ny maro ! Ka nefa ankavitsiana na aza tsy hosinganiko! tsy misy mahasolo izy ireny fa fantaro ! Izany ka izany no tena namana amiko !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mbola-hisy-valiny
MBOLA HISY VALINY!
LAVENONA
MBOLA HISY VALINY! Etsy anie sakaiza e ! Mba mihevera tena fa hitondra anao ho aiza moa ny vola aman-karena? sa vola aloha vao aina? harena vao fanahy? Nefa aleteho an-tsaina fa ny ratsy ataon'ialahy ........mbola hojinjaina Mbola ho tsaraina raha ny tana-nihosin-dra sy kiribiby ataon'ialahy! Mihitsy ialahy hanenina Mihitsy ialahy hikaika Fa nantenain-kanarina No indro toa vao maika Namadika ny marina! Mantsy ialahy tafarina Fa ny tsy manan-tsiny ? aza mba kasihina! Mihitsy aza kitihina! Mahaiza ialahy mipetraka Aza mihetraketraka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/iny-alina-iny
INY ALINA INY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Iny alina iny... Na dia maizim-pito sy sarotra ravàna No tonga mba mamangy, Dia io fa tsy misangy, Nanafika ny akaniko ; Ka tsy ampy naharetan' Ny ora firehetan' Ny jiro solitany efa ho lany solika, Sady nitsilopy... Ka indro koa tsy nofy 'Reo ora maromaro tonga nivahiny, 'Reo ora fahanginana tamin'ny alina iny, Fa oram-pahasambarana Ho entina iadanana Ho an'ny rehetra... Kanefa tao dia nisy Fo tsy mbola tony, Tsy nahafoy fotoana ho verezina amin'ny tory, Na minitra iray akory, tamin'ny alina iny. Fa nentiny nisaina, Niandry ny maraina Afaka ora vitsy, Hiampanga ny aizim-pito Sarotra ravàna, sady tsy misangy, Nanafika ny akaniko, Handroaka ilay fahanginana Tonga nivahiny Tamin'ny alina iny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/latsa-tomany
LATSA-TOMANY
Fredy Jaofera
LATSA-TOMANY Latsa-tomany fa any ho any ny olo-malala tsy mahalala. Latsa-tomany fa tonga ihany iny ratrako iny namely fahiny. Latsa-tomany fa eto hatrany ireo nofy ratsy tsy nisy vatsy. Latsa-tomany fa nanambany ny toky nilaina sy nantenaina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-teninao
NY TENINAO !
LAVENONA
NY TENINAO ! Ny teninao ry Gasy a! Ny teninao ihany... no tsy azon'iza na iza rombahina sy alaina na oviana na oviana...raha tany koa ny tany ! Ny teninao harena ka tokony hajaina ! Ny teninao ihany no... porofo manambara fa malagasy ianao fa tsy ny endrika sy bika rehefa injay ka lavitra ny Madagasikara ka sendra tafahaona amin'ny gasy toa antsika ! Dia ny teninao irery no...miavaka amin'ny maro Tsy azo ampitahaina amin'izao rehetra izao ! Ary aleteho an-tsaina...tsarovy sy fantaro fa sarobidy loatra raha ny tenin-drazanao ! Ny teninao ry Gasy ? Mbola averiko ihany... ny fanajanao azy tsy avela ho tomika* dia efa famantarana sy hahalalana hatrany... fa tena tianao marina ny tanindrazantsika !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-fara-fahanginany
NY FARA-FAHANGINANY
LAVENONA
NY FARA-FAHANGINANY Iny fahanginany iny..... Tsy nidika faharesena fa... izay mangina volamena Ka naleony tsy niteny Na dia efa tahaka ireny,aza Ny hadalana vitanao Dia naleony tsotra izao Nanakombona ny vavany, Nefa hita soritra amin'ny tavany Fa, misy angon'alahelo Mitambolina ao ampony Mila tsy ho zaka intsony Iny fahanginany iny........dia Nanambara zava-maro Fotsiny izy tsy nivolana Fa nozakainy ny azy ny olany Tsy borahiny aminao , Tsy nataony ho fantatrao, hoe..... ny azy anie io efa fiainany. Ka nefa tsy mba nitarainany Fa notazoniny ho azy irery Indrisy nefa fa ny fery Vokatry ny ratram-pony No tsy maha eto azy intsony Indrisy mantsy....! Talohan'ny nialan'ny ainy Dia indro fa notantarainy Ny zavatra nataonao taminy Izay tsy mba nisy maminy Fa toy ny vahona mangidy Dia naleony nisafidy Ny ho lavitra tomany Ka nilaozany ny tany Izay no fara-fahanginany! Indrisy mantsy !!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/hivavaka
Hivavaka
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Andriamanitra ô! Hivavaka aho anio Fa te hisaotra Anao, Noho ireo fitantanana Nampandresenao ahy Namakivakivaky ny onja Raha sarotra ny lalana Dia indro Ianao nitondra, Nampita izany tenako Tsy ho ravam-pahavalo Tsaroako etoana koa, (Ny foko anio mivalo) Nikasa hamaly famaly 'reo tafi-pahavalo, Tsy niera taminao Andriamanitra ô, Volaniko eto anio Na efa fantatrao ; Ny ratra sy ny fery Tavela ato am-poko, Noho ireo olo-tiana Mpiatsara ivelatsihy Namitaka ahy matetika. Mafy ireny, mafy, Tena nijaliana. Nefa kosa Ray Apetrako aminao, Ny anjara famaliana... Andriamanitra ô, Ianao no tiako hameno Ny efitry ny foko, Nialan'ny malalako. F'andrao izy miverina Handratra ahy fanindroany. D'izany no hetaheta Entiko aminao, Ry tokana Andriamanitro! (25 04 23)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/taminizany
Tamin'izany
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Tamin'izany fotoana tsy nihaonana izany, Raha iny aho no lasa voatery nandao, Ny tenako no hany vinimbiko tany, Fa ny saiko sy foko navelako ho anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/na-tara-aza
Na tara aza,
Nosy Malala
Na tara aza, Tsy taitra mihitsy Raivo miditra tara, Gasy hono izy ka izay Ilay anjara, Efa miezaka ihany fa tena tsy tafa, Moa na tar' izy tsy mihafahafa. Sahirana nijery akanjo anaovana, Ilay metimety toa efa nilaozana, Maneritery kibo mila avaozina... Endrasana Raivo fa tsy azo (i)laozana. Tara i Raivo fa mila mandalo lakozia, Mijery, raha voasasa daholo ny vilia. Hafa ihany mantsy ny mamatana madio, Tsy maninona na tara fa sarobidy Io. Taraiky koa Raivo satria nifanena, Tamin'i Haingo vao avy niantsena, Loza hono ny nanjo azy tany Itaosy, Tena saika tratran'ny mpangaropaosy. Fa tsy taitra Raivo na miditra tara, Gasy hono izy ka izay Ilay anjara. Na misy fotoana na any ampiangonana, Na tara aza Raivo, tsy manisy olana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-skoto
Ny SKOTO
LAVENONA
Ny SKOTO Ny Skoto tsy mihemotra amin'ny zavatra sedrainy Ary tsy mifararemotra.... satria ny ao an-tsainy ,hoe.... "N'inona n'inona mianjady dia vonona aho ny hiady, hiroso aho tsy hijanona" Satria dia olom-banona tsara taiza sy tomefy ka sanatria ny hihoa-pefy toy ny jiolahimboto Fa ny antsoina hoe Skoto? dia..... olona matanja- tsaina ka tsy mba mitaraina raha toa mandalo olana fa mahita vaha olana amin'ny zavatra miseho Moa mba hainareo?? Fiainan'izy ireny ny... manampy sy manohana ny mpiara-belona aminy ary manasoa ny taniny.... toa antsika izy ireny Fa kosa dia miavaka satria dia tia vavaka... Izany ny Skoto!!!!!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/taratasy-avy-any-am-ponja
TARATASY AVY ANY AM-PONJA
LAVENONA
TARATASY AVY ANY AM-PONJA Miala tsiny letsy fa...sendra mba nahatsiaro... dia nandefa taratasy sy anatra ho anao a ! Ka raha toa voarain'ialahy dia...tsarovy sy fantaro hoe... aty am-ponja i zoky izao manoratra eto izao ! Nibaby ny hadalany ! Tsy vitan-drendrarendra ny fiainana lehity a! Ny tanjona ny ditra koa tsy afaka miaraka ! Tsoriko aminao fa raha ny fiainanay aty an...! Ny aina angamba letsy no hany tsy manaraka ! fa mafy tena mafy ! Tsaroan'ialahy moa zandry iny nofinofiko iny... hoe ho lasa dokotera...mpitsabo sy ny sisa ? Indrisy...! Tsy tanteraka izy ireny ankehitriny... Aty am-ponja i zoky no mba mamisavisa...! Voakaikitry ny nenina ! Zandry a! Mitomany i zoky manoratra eto izao ! tsy noho izaho nigadra fa noho ialahy maditra ! ny sazy izay zakaiko ,aoka ho anatra ho anao ! Hendre ialahy razandry fa ny revy mety ritra a! Tsy azo hivalaparana ny ora sy fotoana Ny minitra nanoratana, tapitra sahady Izay fa mampamangy dia veloma mandrapihaona ! Raha mbola velon'aina ka salama sy tomady ! Afaka roa taona ! Ny zokinao malala !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mahereza
MAHEREZA...!
LAVENONA
MAHEREZA...! Ho anao mamaky ny asa soratro io raha toa mandalo olana amin'izao fotoana izao Tsy resy izany ianao fa...izao no tadidio hoe... tsy hamela anao irery ilay Ray ambony ao ! Reny hatrany hatrany ny vavakao mangina Fantany daholo raha ny fiainanao rehetra Tsy nahary anao mba hoe hiari-pahoriana fa kosa manao sedra sy fizahan-toetra ! Ho anao.... Ho anao milofika mandrotsaka tomany miandrandra andro mihiratra ka velona taraina ho anao indrindra indrindra no hanoratako eto androany Hoe...mahareta kely fa ho avy ny maraina... ihavian'ny fahazavana...!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/jes%C3%B4-sakaizanay
JESÔ SAKAIZANAY
LAVENONA
JESÔ SAKAIZANAY Tao anatin'ny alina fiharetan-tory iray Niarahana nikalo izao karazan-kira izao fa rehefa injay nohiraina ny " Jesô sakaizanay..." dia... toy ny voatsindrona ny tao am-poko tao... no sady lasa saina ! Raha hiram-pivavahana ?...ny tena tsy vahiny ! Mahay tsy misy very ny tononkira tsara ! ka nefa kosa tsapako fa iny alina iny... no tena nahafantarako tian'ny hira ambara... sy ny hevitra fonosiny ! Teo vao tonga saina fa na iza fantatrao na misy ra iraisana na namana notiavina ! Ireo rehetra ireo dia...tsy maintsy mbola handao... rehefa tonga ny andro izay tsy azontsika lavina... hialana eto an-tany ! Nisento tokana aho dia...namerina ny saiko... nankafy ny tonon'ity hira nohiraiko... hoe :"Raha ny olona....mety handao anay.. Jesô no tsy mandao, Jesô anay...! "
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anatinny-soratra
ANATIN'NY SORATRA
Fredy Jaofera
ANATIN'NY SORATRA Anatin'ny soratra ny fitiavako anao tonga manokatra ny ainga vaovao. Anatin'ny soratra ny hafatra moana mety hisy ohatra hamaritra foana. Anatin'ny soratra ny tanjona tiana hany hamokatra kanto izay nirina. Anatin'ny soratra ny fihetseham-po, na dia manolatra irony ratra taloha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tantsaha
TANTSAHA
AORN
Izy ireny mantsy lazaina mavomavo Na koa akoraina fa olona tanavo Dia ambaniana foana, odiana tsy jerena Ka ny vidim-bokatra baikona sy terena Dia zara misy tombony, zay zavatra hamidy Fa ny mpaka maro no tompon’ny safidy Ny manam-pahefana iray lasitra avokoa Raha zay ambanivohitra tsisy hamakiany loha Kanefa rehefa hitrandraka zay zava-tsarobidy Tadidiny ihany ireo, tambazany hifidy Dia toy izany foana, tsy misy iray voavaha Ny olana hatrehina mahazo ireo tantsaha Fa izy ireny mantsy tondroina ho mavomavo Fa ho avy ny andro iray, ny iva mbola ho avo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/ahoana-ny-mitia
AHOANA NY MITIA ?
RAVINALA
Niezaka ny tsy nahatsiaro ny lalana nombana Ny foko efa osa, fa trotraka loatra Fa miredareda ny afom-pitia Tereko ho faty fa andrao tafahoatra Kinanjo vo mai-mihamafy Mahery fitsoka ilay rivo-pitia Nony injay tafahaona dia nifankazo Velona indray ireo otrik’afo Efa niha nalazo. Dia ny onjan-drano no sisa tsy haiko Fa sarotra lotra Ary mafy fitopa Ny lala-nombako ; ilay sambom-pitia Tsy resiresena Tsy safotry ny onja.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/tsy-rafinao-ilay-tiaviko
TSY RAFINAO ILAY TIAVIKO
RAVINALA
Ny voady nokaloiko hatramin'izay teo anilanao Tsy misy novonoiko fa nosoliko vaovao Dia fiainam-baovao fitia mifanaja Sanatria ny hankahala anao fa mendrika kokoa angamba Nambarako azy avokoa ireny lasantsika ireny Teo ireo nahasoa sy ny ditra teny ho eny Ny aminao sy ny amiko notantaraiko ombieny ombieny Kanefa hoy izy tamiko TSY MISY MIAFINA AMIKO IRENY Mahereza hono hoe mahombiaza amin'izay atao Ny faniriany be dia be hiara-dalana aminao Tia ahy Izy fa lalainy koa ianao Eny aza kivy fa io ilay lalam-baovao Na dia saro-bidy ny aminao ilainy koasa ny fitiavako Ka tsarovy aky hatramin'izao FA TSY RAFINAO ILAY TIAVIKO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/nafeniko-ny-tavako
NAFENIKO NY TAVAKO
RAVINALA
Nahodiko ny lohako tsy hibanjina ny endrikao sariaka Nakipiko ny masoko fa matahotra sy miahiahy indray Sao ho lasa babonao amin’ny fitsiky manjopiaka Ka ho tohina eo indray ny fery ‘zay voazaitra naratra tamin’iny. Nafeniko ny tavako tsy ho tsikaritrao akory ny andriambin’ny foko Mahery dia mahery, misitona tomany Nafeniko izy androany, mba tsy ho fantatrao Hoe mbola ao ny fitia ary mamy dia mamy toy ny vao omaly. Ny vetsoko mangina sy kalo feo manga Naetriko izy angamba, tsy hanaitra anao intsony Fa ny tantaram-piainako na banga fa tsy fantatrao Hifatohako eny ihany na tsy misy anao akory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/andrakandrana
ANDRAKANDRANA
RAVINALA
Ao an’efitranoko ao misy fiovana Fiovana hafahafa toa misary hadalana Fofona sy setroka Miovaova loko tsy fandre matetika Setroka tsirohotro mifangaro rano Rano tsy fisotro mahatofoka ny maro Zava-misy izany, tantaraiko anao Izay ny fiovana sao dia gaga ianao Tsy tandra vadi-kodotro io Sady tsy fanaoko ihany koa Tiako ny milaza Rediredy, kobak’ambava Tsy dia niriako, nakoa nosafidiako Tsy ankafiziko no sady tsy niriako Mba nanalako andro ; hamafako izany lasa Noheveriko ihany koa hanasitrana ny ratra Hitsara ahy ianao ary mora hanameloka Aoka anefa mba hitsahatra Miangavy koa hangina Trafo-kena tsara ; ahy sisa mieritreritra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fo-mampirafy
FO MAMPIRAFY
AORN
Mampirafy ve ny foko Raha nitia anao mangina Ka nitepo an-tsokosoko Sy nandray anao ho tiana? Fa 'lay namanao akaiky Tsy nandrian’ny foko tia No lasa vady nifanaiky Hiaraka amiko ho doria Fa 'ty foko adaladala Nofefeko tsy hivoaka Nefa toa tsy te hahalala Fa vao mainka te-hitroatra Notreromiko ny saiko Tsy hisaina anao intsony Naika hihatra hatramin’ny aiko Izy gina toa nikomy Notezerako ihany koa Ny momba ahy rehetra rehetra Kanjo saika hamoy fo Fa tena misimisy toetra Fa avela handeha ny taona... Izy angamba no antenaiko Hampitsahatra, hanafoana Sy hanasitrana ny saiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/voabaiko
VOABAIKO
AORN
Firifiry zay ny tranga Nampitolatola-gaga Niseho lany tato ho ato Fanondranana harena Sokatra sy andramena Miampy ireo karazam-bato Dia 'reo tompomenakely No manao zay tsy hampiely Ny vaovao zay tena marina... Miezaka mamono afo Ka tena sahy mividy lafo Zany lainga tiana amboarina Dia lazainy f’efa miasa Reo sehatra sy sampan’asa fa hoe: "mitady ireo mpamatsy" Saingy indrisy maty momoka 'Reo mba asa izay natomboka Fa voabaikon’olon-dratsy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/alin-dratsy
ALIN-DRATSY
AORN
Alina toa maizin-kitroka Ibitahan’ny mpamely fantsy Andadizan’ikely mavitrika Fiveloman’ireo olon-dratsy Alina tsisy mangirana Filalaovan’ny kary amy tompony Alina toa manahirana Vakisehatra hatrany amy fotony Alina mampiahiahy Tontakely no manjakazaka Fivoahan’ireo jiolahy Izy ireo no efa tompon’ny laka Alina toa mampitahotra Fa ny avelo manapatra ny heriny Ny tena no toa vahobahotra Manoloana an’ity misteriny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fanavahana
FANAVAHANA
AORN
Malaza tamy zany, tao Afrika atsimo Ny mainty dia voaavaky ny fotsy tompon-tany Ka n’aiza n’aiza aleha, dia tena tsy mampino Ny hafa volon-koditra tsy maintsy ambany hatrany Fa amy zao fotoana, raha ny eto no ambara D’ireo vahiny tonga, matanjaka ara-bola Manavaka ny gasy, manao zay hampizara K’ireo mpitondra mihitsy, no iarahany midola Dia hany ka voazara, hatramy kolontsaina Ny fihavanana avy, odiana tsy jerena K’ Izay tsy manam-bola avela ho rerak’aina F’reo sahirankirana, hitsahina sy hosena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mpino-sadasada
MPINO SADASADA
AORN
Misy mpino sadasada, manantsoratra, hafahafa Tsy mihambahamba akory, mampiteny ny anarany Dia mamory filankevitra no sady manatsafa Ny Mpitondra fivavahana heveriny ho ambaniny Izy hono matretre, ka mahazo misafidy 'Reo zay olona hitondra sy hitantanana Fiangonana Ka ny vola no ampiasainy mba ho fanefàna adidy Zay tsy miditra am'zay, kotabaina sy rahonana Dia mangina tsy miteny 'reo mpiandraikitra ifotony Satry moa hahazo kely ka manaraka tsy fidiny Izy ireo mba nianteherana toa tsy taitra, tsy sarotiny Ka ny iray fiangonana avy no mizaka izany ngidiny Rehefa tonga ny alahady, dia tsy maintsy isaina toerana Ka na hipoka aza ny eo, tsy hipetrahana ny sezany D’efa mampiteny moana ny vola sy ny fanaperana Izy no manjaka tokana amy saina sy letrezany Miambo ery hoe tena Mpino saingy tia manandra-tena Nefa anaty inoana marina fa tsy vonona hivavaka Zatra tia mizahozaho, sy manao tsindry hazo lena Fa raha resaka am-panahy, mitrotrongy anaty lavaka Misy mpino sadasada, manantsoratra hafahafa Ka am-bava fotsiny ihany zany hoe mino an’Andriamanitra Fa ny tena imasoany dia maneso sy mitafa Lavitra azy aloha hatreto raha ny fanjakan’ny lanitra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-anjara
NY ANJARA?
AORN
Na tiako aza ianao, Ny anjara tsy miolaka Fa rehefa tena anjarako Dia miaraka mamolaka Ilay fitiava-mamy Iraisantsika roa Na tiako aza ianao Ny anjara tsy fidiana Fa rehefa tsy anjara Na dia terena ho tiana Tsy maintsy tafasaraka Satria tsy mahasoa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/karajiam-pandrosoana
KARAJIAM-PANDROSOANA
AORN
Nikiry aho ka nikiry Nikiry fa tsy nahazo Tsy nahazo lay fandrosoana Fandrosoana tsy mety tonga Tonga kely fa tsy tamàna Tsy tamàna fa lasa niala Niala sady voahilikilika Voahiliky ny mpitondra Mpitondra sendra ny tia kely Tia kely mba hanambàka Hanambàka ireo vahoaka Ireo vahoaka tsy tonga saina Tsy tonga saina amy zava-misy Zava-misy efa manahirana Manahirana hatrany ifotony Any ifotony ravarava Ravaravan’ny tontakely Tontakely efa raindahany Raindahany amy fangalarana Fangalarana ny Harena Harena maro sy vato soa Vato soa tena sarobidy Sarobidy ho an’ireo vahiny Ireo vahiny zay tia mitsetsitra Tia mitsetsitra Malagasy Malagasy efa tena vizana Tena vizan'ny adin-tsaina Adin-tsaina efa lalim-paka Lalim-paka lay fahantrana Fahantrana tsy mety vita Fa vita ihany io raha tafafoha Tafafoha dia miray loha
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-nofiko-sisa
NY NOFIKO SISA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ny nofiko sisa no tonga mitsetra Mamangy ahy anatin'ny ali-mangiana, Fa ny fiaina-mitranga toa mahery setra Sy manambatambatr'ireo fahoriana. Ny ali-fahanginana sisa no namana Miara-mizaka an'ireo alaheloko, Ny nofy no tonga mba manolo-tanana Sisa izarako ny tsiambara-teloko. Ny aizina sisa no hoe fiadanana Manome fiononana ny fo tsy ho kivy, Eny ny alina irery no namana Tsy mahafoy, sady tsy mba mahidy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rafahafatesana
RAFAHAFATESANA
AORN
Fandaozana mafaitra, mangidy tsy hay tohaina Ny saraka aman’aina Tomany sy alahelo miaro fahoriana Ny ilaozan’olon-tiana Fa satry hiriaria, sy hiaraka doria Izay mifankatia Saingy toa voafetra lay hany fanomezana Tsy to rafahafatesana Ny eto an-tany mantsy, ny taona no isaina Ho an’ny velon’aina Raha atao ny salan’isa, dia valopolo ihany raha betsaka ary izany Ny sasany aza moa, vao mianatra mandady Dia fefika sahady Tanora vao misandratra, voatsipaka ihany koa Ka mankarary fo Ry fahatesana o, hatraiza moa ny fetra Fa toa misetrasetra Sa Mbola tsy ampy anao, ny lasa hatrizay Fa Mbola manafay Soa ihany f’efa nisy, ilay zanaky ny Ray Nisolo vaika anay Ka maty hateloana, kanefa tafatsangana Fa resy hatramy fasana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nandratra
NANDRATRA
Fredy Jaofera
NANDRATRA Ny alahelo aloha afaho, na indraindray mampijafa eny foana tsy hay vonoina ; ny olona nandratra anao dia mitantara zavatra hafa, milaza ho niharam-boina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/misy-ny-mitia
MISY NY MITIA ?
NY Andri-Fara
Misy ny Mitia ? Nahoana kay ianao No androany no nilaza . Ka nandrenesako ny feonao ! Mikarantsana aoka izany ; Manambara ilay fitiavana . Tia ahy ianao Tsy laviko izany , saingy indrisy ..., Nahoana kay ny lahatra ; No niangatra ? Nadaboka ! Ny fo maratrako...Tomany . Andeha ianao...Tsy fantatro Angamba mbola hihaona isika Kanefa , tsy maninona raha sitrakao , Adinoy ny anarako fa izay no sitrako ? Andosiro ny fitiavako...Veloma ianao . Eny e! fafao ny lasantsika Dia aza averina hitamberina ; 'lay tantara mahonena ..., Hiangaviako ianao any lavitra any Ny dindo nampiray antsika aleveno . Ry Sombinaiko aza hikoriana Amin'ny tavanao ny ranomasoko . Ny aloko mitady hanelingelina..., Hibanjino ny alokin'ny manina ; Tiavo ilay tsy tia na tsy mendrika aza . Mafy ny mitia...Fitia tsy namaly Tia ahy ianao saingy indrisy ; Ny fahantrana nitambesatra amiko , Tsy ho zakanao rahavako ... Ka aleoko hitia anao mangina . Iza no antenaina handrindra izany ? Ny hery sy ny fahafahako , Ny Soratra miteniko ?! Manoloana ny fitiavako...; Tsy fantatro.... " Lasa ianao... Vao tsapako ny fitiavanao " Andrainarivo . Tamin'ny 11h 40 mn 23 Jolay 2006 Ny Andri-Fara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-afaka
TSY MISY AFAKA
Fredy Jaofera
TSY MISY AFAKA Soa ny vavaka, tsarovy, na rahoviana ka n'aiza n'aiza ampiasao ; tsy misy afaka manakam-pitahiana omen'Andriamanitra anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara0/ny-soratra-miteniko
NY SORATRA MITENIKO
Ny Andri - Fara
NY SORATRA MITENIKO NY SORATRA MITENIKO Ny Teny no entiko hanambara Izay tsy sahin’ny peniko lazaina . Ny soratro no hanehoako …., Hampihoitra , handrisika , ny hetahetam-panafahana . Hanoratra aho..Hanoratra tanteraka Hitrandraka ny asa soratry ny fiainana . Ka ny saiko na ny sofiko ; ny masoko ! Hamelona indray ny fiandrianam-pireneko . Ny soratro no teny anehoako… Fa aoka hitraka ! hitsangana hiarina ; Handeha hiady , hitolona…Hikiry , Ho an’ireo mahantra sy kamboty . Ny teny no sandaiko an-tsoratra Hanakoako ho ren’izao tontolo izao ; Sy ny fikirizako hisesy hamantarako ny marina , Handavoako ny hakiviana , hikoloako fandresena . Na ny soratro na ny teniko Tsy ho zary nofinofy fa atambatro , arafitro , Ka toy ny soratra miteniko , angolaiko sy antsaiko ; Amiseho ankarihary ny hasambarana sy ny antony . Ampandrianomby . 22 Martsa 2024 . 08 h 40 Mn
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/asa-re-raha-mba-fantatrao
ASA RE RAHA MBA FANTATRAO?
RAVINALA
Mba tsampanao moa fa eo ambaravarakely no lasan’alahelo sy misento ’zany foko Rehefa injay ianao tsy hita ; lasan’embona, mitaraina mitoloko Rehefa hila tsy ho tantiko dia zava-mahadomelina no bobohako Dia singara koa no pololoriko, mba hampitony ‘zany . Rehefa koa tsy tantiko ny fahendren’ny tany Dia miondrika ny lohaka ka mangoraka ao am-po Dia indro mitomany Maniry fiainan’olon-droa . Na dia haiko aza hoe sarotra aok’zany Ka nefa niendrikao miserana any ho any Dia iriako ho eo an-tratra Ilay fiainana mandalo mijanona ho takaitra Io fitiavana io tsy mety ho voafehy toy ny zavatra ianarana Tsy mba mitondra fianan-tsambatra hanjakan’ny fiadanana ! Fikasana ihany, angamba nofinofin’olon-jamba Ny hahita ilay mazava, ho fifalian’ny fo Eny e ; aleoko tsy hiteny mba tsy hivarolavo amin’ny fiainan’olondroa ! Handramoko eny fona ny fiainana misaona Sao mba mba ho tanteraka ilay lohataona !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/fahotana-foana
Fahotana foana
Rongo
Fahotana foana Io lanitra io raha manga ? Tsy ho manga foana foana Tsy maintsy hifandimbiasan' ny ora sy fotoana ny reva-doko atorany, Raha manga teo ny sorany ... Isika tsy mpandahatra ka afaka ny hamaritra izay zotra mety hizorany ! Ny volana mitranga ? Tsy hitranga foana foana; Tsy maintsy hifandimbiasan'ny ora sy fotoana raha tany koa ny tany, Baliaka teo androany ... F' isika tsy Andriamanitra ka afaka hitazona izay taratr' hazavany ! Ary itsy voninkazo? Tsy ho manja foana foana Tsy maintsy mbola halazon' ny ora sy fotoana fa manan' aina ihany, Namelana izy androany ... F' isika angaha mpamorona ka afaka ny hitazona izay mety ho fahamanjàny ? Ary ito kirintsika? Tsy maintsy mbola hisinda Tsy maintsy ampandeferin' ny misy efa voarindra f'isika no tsy miaiky, Na te hifanakaiky ... F'izaho angaha mpandahatra ka afaka ny handrodana ny Ianao efa nanaiky? Ka eto no sampanana ! Fa mena izao ny loko Tsy ho tsara mihitsy mihitsy ny Ianao mitia ny foko na ho afenina sy asoko, Ary n' inona ho porofo ... Dia fahotana foana na aza ho arivo taona ny mitia ny manan-tompo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nofinny-saramba
NOFIN'NY SARAMBA
Fredy Jaofera
NOFIN'NY SARAMBA Nofin'ny saramba ny hanam-piaina-mora fa dia rovi-damba mitrongy mafy isan'ora. Nofin'ny saramba tsy ho tapaka irony jiro fa dia mahajamba ny sedraina ka halaviro. Nofin'ny saramba tsy ho tapaka itony rano tsy, hoe, angamba fa marina eny ka tazano. Nofin'ny saramba ny ho lavi-pahantrana, tsy sambasamba ka aoka re tsy ialana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/na-mafy-aza
Na mafy aza
NY Andri-Fara
Na mafy aza Tompo o! indreto izahay Hisedra sy hankatoa ny teninao. Vonona ny hitory...., Hijoro ho vavolombelona . Na dia mafy aza ny adim-panahy Na inona hitranga , tsy hampanahy ; Tsy ataonay mahakivy , Tsy maintsy mandroso f'izay no didy . Tompo o! na aiza na aiza no aleha Na aiza na aiza hanirahana ...? Na fisedrana miandry ! Na eo 'lay ratsy , tsy hampihemotra . Ny fanoloran-tenanay Hanompo Anao mandrakizay....! Tsy hanan-tahotra izahay , Satria Ianao mpiaro anay .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/apetrao-ny-ahiahy
APETRAO NY AHIAHY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Amin'izay rehetra atao, dia ilaina foana ho sahy, Sady vonona ny handroso hahatrarana ny tiana. Fa raha resaka fitiavana, aleo asiana ny ahiahy, Hisorohana ny nenina mety hitranga any aoriana. Aza manam-pikirizana na koa miezaka mitia! Aza manantena fo hitepo anao ny manontolony ! Aza manome ny toky, indrindra moa fa ny ho doria! Aza minomino koa izay teny rehetra atolony! Raha tsy vonona ho tiavina sady hahafoy izay tiana, Raha tsy misy voady mihitsy hamatorany ny lelany, Raha tsy vonona hijaly, hitia anaty tsy fisiana, Raha tsy fantatra avokoa ny toetra anatiny sy ivelany, Dia hisy ilay fitiavana : hanjaka hatrany anaty fo. Dia hisy ilay fanantenana : tsy ho rava mandra-maty. Dia hisy ilay fahasambarana : fitiavana henika ny soa. Dia tena hisy paradisa : ''voady vita fatomaty''.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/ny-asasoratrao
Ny asasoratrao
Rongo
Ny asasoratrao Ny asasoratrao miranty? Ninoninona lazaina Na io aina ho an'ny maty Na mahafaty koa ny miaina! Fa ny teny mantsy miako Masina io sy saropady Raha fanasina matsatso Iza indray no hahamasina azy? Ka ny soratrao sakaiza Lalana aiza no hizorany? Tanjona aiza no hifotorany? Raha nateraka izy androany... Hafiriana no hahavelomany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/toko-ii-21-ny-fanjakani-madagasikara-tohinilay-madagasikara-fahagola-sy
TOKO II 2.1 . Ny Fanjakan’i Madagasikara
NY Andri-Fara
TOKO II 2.1 . Ny Fanjakan’i Madagasikara ( TOHIN'ILAY MADAGASIKARA FAHAGOLA SY....) TOKO II : Eto no manomboka isika izao = Mbola misy sedra ka sarotra ny mamoaka azy ato raha vao mitohitohy ny lohateny mitovy . 2.1 . Ny Fanjakan’i Madagasikara [ Ity sary ity dia tsy sariny akory fa vinavina ihany ] 2.1.1 Andrianampoinimerina : ( 1787 - 1810 ) Teraka tamin’ny taona 1745 izy. Fony vao zaza dia Ramboasalama no anarany. Zafikelin’Andriambelomasina , mpanjakan’Ambohimanga; ny lehilahy. Andrianjafy , zanak’Andriambelomasina , dadatoany no nanjaka nandimby an-drainy, tao Ambohimanga . Matetika niady izy mianaka satria efa niteraka an’ilay lahitokany Andrianjafy , izay hampanjakainy handimby azy rahatrizay. Ramboasalama anefa no efa voatendrin’Andriambelomasina hisolo an’ity dadatoany rehefa hody any amin’ny mandrakizay izy . Nampitondra ny mangidy ny vahoakany anefa ny mpanjaka, nandritra ny 15 taona. Na ity zanak’andriana handova fanjakana aza dia nampilaharin’ny tamin’ny mpanompo sy nampanompoana . Noho izany dia nangidy hoditra tamin’ny vahoaka Andrianjafy sy ny zanany, ka voatery nanongana azy ny loholona. Natsangan’izy ireo ho mpanjaka ary Ramboasalama, izay niova ho Andrianampoinimerina , rehefa nahazo ny seza fiketrahana. Tonga tao an-tsain’ity mpanjaka lalin-tsaina ity ny hoe : “ Ny ranomasina no vala-parihako ”. Ny heviny dia izao. Te hanitatra ny fanjakany izy, lehilahy tsy mbola nahita ranomasina akory, kanefa azo inoana fa ireo avy any amoron-tsiraka no nampahafantatra azy izany , dia ireo Ombiasa Antaimoro namany . Ady anefa vao nahatsangana an’izany. Nasiany aloha Antananarivo ka azony. Avy eo nitodika tamin’ireo faritra enin-toko : Avaradrano, Ambodirano, Vakinankaratra, Vakinisisaony, Marovatana, Vonizongo indray ny tolona . Tao anatiny taona ( 1788 - 1794 ) , izay naharitra 6 taona. Telo ny Olon-kendriny dia, Rabefiraisana tao Ambohimanga, Hagamainty tao Ilafy ary Rafiara tetsy Alasora. Anisan’ireo vondron’olona mandinidinika, nanondrotra ho mpanjaka an’Andrianampoinimerina ny Tsimiamboholahy notarihan’Andriatsilavo, ary ny Tsimahafotsy , etsy avaradrano . [1] *Ny vadiny : 12 marina ve ny vadin’Andrianampoinimerina ? :[2] 1. Rabodonimerina : Vadibe , izay milevina ao Namehana . Renibodonimerina , zanak’Andriambelomasina no reniny Nanangana an-dRabodolahy zana-drahavaviny . Novonoina Rabodonimerina . 2. Rafotsirahiratra : zanaky Ramisamanjaka , rahalahin’Andriambelomasina . Ao Fandàna no mitoetra . 3. Ratsimiantahasoa : zafin’Andriambelomasina , zanaky Andrianjafy . Ao Namehana izy no milevina . 4. Ramiangaly : Andriankotonavalona zanak’anabavin’Andriambelomasina no rainy . Ao Ankadimanga , Sambaina Manjakandriana . 5. Rasendrasoa : Andrianavalonakelimiaina etsy Ambahivoraka no niteraka azy ary Rafitsirasoa . 6. Ramanantenasoa : terak’Andrianavalonjafy ao Alasora . 7. Rambolamasoandro : teraky Rabelanonana tao Marovatana. 8. Ramatoaramisa 9. Rasoamananoro : teraky Rabodomanana 10. Ravaonimerina : terak’Andrianambotsimarofy 11. Ravaomanjaka : terak’Andriamaromanompo anadahin-dRavaonimerina . 12. Razafitrimo 13. Ravalomisa 14. Rabodozafimanjaka : terak’Andriatsira teny Alasora , izay nanjaka teny [3] 15. Rafotsirabodomirahalahy : Tera-dRasoataolana rahalahin’Andriatsira , Jamba izy io ary tamin’ny 1881 ; Izy irery sisa no velona tamin’ireo vadin’Andrianampoinimerina . Ao Ambohijoky . 16. Rafotsirahety : Tera-dRasoataolana eo Ambohipaniry . ( Faritra any Ambatomanga ve sa toerana hafa , nefa azo inoana fa iny làlana mihazo ny faritra Merinarivo iny izany! ) 17. Rasendra : anadahin-dRambola ao Ambatomanga . 18. Rasamona : zanaky Ramanantenasoa , izay lasa Vadibe taty aoriana . Ao Tsiafahy . 19. Razafinamboa : teraka Ravaonimerina sy Andriatomponimarovatana 20. Razafinavalona : eo Ambohipianana 21. Rabodo : ao Ambohimalaza avy amin’Andriantompokoindrindra 22. Rabodondrainibe : teraky Ramboamainty ao Ambohimalaza 23. Rafotsiraivoramiandra : tera-dRamboamanina 24. Ravaondriana : tera-dRahiratra 25. Rafaravavy : zana-dRamanitra . Noho ny antony ara-toe-karena sy ara-politika no nanaovany an’izany. Nomeny vohitra roa amby folo avy izy ireo, izay lasa toeran-tsampy sy nivavahana: 1. Antananarivo 2. Ilafy 3. Namehana 4. Ambohimanga 5. Alasora 6. Ambohidrabiby 7. Ambohidratrimo 8. Imerimanjaka ao Ampandrana 9. Ambohijoky 10. Amboatany ao Imamo 11. Imerimandroso 12. Ikaloy Raha ny fikarohana hafa ; araka ny fitantaran’Andriamatoa Andriantsoa Robert , anefa dia ireto ireo , tendrombohitra 12 ireo : 1. Analamanga 2. Ambohimanga 3. Ilafy 4. Ambohidratrimo 5. Antsahadinta 6. Alasora 7. Ambohimalaza 8. Ampandrana 9. Antongona 10. Ambohimanambola 11. Ambohidrabiby 12. Ikaloy . Mbola hita amin’ireny vohitra ireny ny lapan’andriana sy ny toerana nanjakany fahiny, izay voadidina hadivory sy vavahady vato lehibe tsy voakodian’olona folo lahy amin’izao fotoana izao. Ny aviavy sy ny amontana dia maneho fa lapan’andriana sy tanànan’andriana ilay hotsidihana ankehitriny. Tsy dia lavitra ihany koa ny misy ny fasan-drazana. Fa raha hiverenana ny Tendrombohitra 12 , dia miteraka adihevitra be amin’ireo mpikaroka , satria ity izao misy fikarohana hafa indray : ( Alasora; Amboatany ; Ambohibato; Ambohibeloma; Ambohidrabiby; Ambohidratrimo; Ambohijanaka ; Ambohijoky; Ambohimalaza; Ambohimanambola; Ambohimanga; Ambohiniazy; Ambohipoloalina; ; Ambohitrontsy; Ambohitrosy; Anosimanjaka ; Antsahadinta; Babay; Iharanandriana ; Ilafy ; Imerikasinina ; Imerimanjaka ; Kaloy ; Ambohipo ; Merimandroso ; Namehana ; Soanangano ; Tsinjoarivo ) *Imerina, nozaraina 6 Toko : . Ny tao Avarandrano : Rabefiraisana . Ny tao Vakinisisaony : Rafiara . Ny tao Marovatana : Ratsimpaniry . Ny tao Ambodirano : Razakatahiry . Ny tao Vonizongo : Andriantsoba / Ralambotiandrainy . Ny tao Vakinankaratra : Raharivola Ireo no hova natao ho “ tompomenakely ”, izay niadidy an’ Imerina enina toko 42 taona izy raha vao nanomboka nanjaka , ary naharitra 23 taona ny fanjakany ary nolaniany tamin’ny ady izany . Mba hamoriany izay fanjakana tiany ho azy . Fito taona garangidina no namoriany an’Avaradrano fotsiny vao nanoa azy. Namantana toe-javatra sarotra Andrianampoinimerina noho ny fanjakana niverina nitsitokotoko, noho ny ady an-trano izay nataon’ireo mpandova , ny fanjakan’Andriamasinavalona , izay efa nanjaka tokana teto Antananarivo, fa nizara ho efatra ny fanjakana tamin’ireo zanany. Nanjakan’ny herisetra sy ny fanjakan’ny mahery, niseho ny tsy fahandriampahalemana, ny halatra sy ny halatr’olona izay tena nanjaka tokoa, ny fanararaotana samihafa ataon’ireo be sandry. Tsy vitan’ny kabary fotsiny fotsiny ny famoriana ny fanjakana nitsitokotoko teo aloha mbamin’ny fampajariana ireo rafitra vaovao napetraka hankatoavina, mba hisian’ny fiaraha-monina mandry fahalemana. Ady amam-basy sy lefona no nifamelezana. Ny ady tamin’Antananarivo sy Ambohidradrimo ary ny tao Ambohijoky no tena nalaza, ankoatra an’Avaradrano. Avy eo ny ady nifaovany , tamin’ny Betsileo, tao Ifandana, ilay vohitra nanan-tantara , fa nahatonga ny olona 3000 tany ho any hamono tena tsy nanaiky ny hanompo ny Merina na hilavo lefona. Ady no namoriana izao firenena izao.[4] *Ireo Andriana resin’Andrianampoinimerina : 1. Andriamarimampihovovo . Andriana , nanjaka tao Imamo Andrefana 2. Andrianentoarivo . Andriana , nanjaka tao Vonozongo 3. Andrianamboarinandriamanitra . Andriana, nanjaka tao Ambohibeloma Andrefana . 4. Andriamanetranilany . Andriana , nanjaka tao Ambohipoloalina izay Marovatana . 5. Maromena , izay zokin-dRabehety . Andriana tao Marovatana 6. Andriantsaralandra . Andriana , nanjaka tao Amoronkay . Vakinisisaony . 7. Andrianjomoina . Andriana nanamorona ny ala atsinanana 8. Andrianaroanaka . Andriana , Nanjaka Ambohitrandraina . Vakinankaratra 9. Andriamasindraibe . Andriana tao Antsirabe 10. Andriamanalina . Andriana tao Manandona 11. Andrianonitomponitany . Andriana tao Betafo 12. Andriambongo . Andriana tao Menabearivo 13. Andrianatara . Andriana tao Manandriana , Fihasinana atsimon’ny Mania . 14. Andriamanalinabehiantana . Andriana tao Vakiana . Menabearivo . 15. Rafongay . Andriana tao Atsimon’ny Matsiatra 16. Ratsilanoka . Andriana tao Lohasakalava izay ao Antsiriry sisin’i Merina andrefana . 17. Ravahiny , Andriana nanjaka tao Boina ao Mahajanga 18. Ramitraho . Andriana nanjaka tao Mahabo ao Menabe 19. Andriamisavalambo, andriana tao Kilonjy any Vonizongo dia nanaiky fa Andrianampoinimerina no nanjaka . *Ireo Mpanjaka resy teto Madagakasikara : 1. Andrianjafy tao Ambohimanga 2. Andrianamboatsimarofy teto Iarivo 3. Ramaromanompo tany Fenoarivo , izay zanaky Andrianamboatsimarofy 4. Rabehety tao Ambohidratrimo 5. Andrianavalonjafy tetsy Alasora 6. Andriampoetsakarivo tany Ambohibeloma 7. Andriamarobasy tany Ambohitrambo 8. Andriamanalinarivo tany Fandana …Betsileo 9. Andriamanimahaniry tany Ambohidrainandriana 10. Rivoekembahoaka tany Kiririoka ….Betsileo 11. Andriamanalinjanaka tany Masoandro any Mania ….Betsileo 12. Andriambelosalama tany Mania avaratra….Betsileo 13. Rafongory nanjaka tao Atsimon’ny Matsiatra *Ireo Voanjo napetrak’Andrianampoinimerina teto Imerina : 2000 Lahy avy amin’Avarandrano , ka ny 400 lahy avy amin’Andriateloray ka ny 100 lahy dia an’Andriatompokoindrindra , ny 200 lahy kosa avy amin’Andriamboninolona ary ny 100 lahy farany dia an’Andriandranando. Tsara ihany koa ny mahafantatra fa ny famorana teto ankibon’Imerina dia natao isaka ny 7 taona , nohon’ny tenin’ny mpanjaka . Nisy tantara iray ity , izay tsy tokony ho adinoina faha Andrianampoinimerina . Ny tantaran’ingahy Raindrainitsiandavana : Io lehilahy io dia anisan’ireo ngeza fahiny ary tena natahorana tokoa satria nanana ody mahery tokoa izy . Teo Ambohimasina izay avaratr’Ambohitraza izy no nonina ka Andrianampoinimerina mihitsy no nampamono azy sy nandrava ny tànana nitoerany . Naverina indray io tànana io faha Ranavalona I , ka nohararaotin-dRainitsiandavana izay zanaky Raindrainitsiandavana indray ilay fananany ody ratsy sy ody mahery ka nahamahamahana ny mpanjakavavy , nolazainy mantsy , fa afaka manasitrana sy manangana ny maty ary maha ela velona sy hamokarana ny vokatra , ka tsy hisy mosary intsony , sy ny fanambarany fa afaka mamerina azy mianaka nanjaka teo aloha izy . Io ody io mantsy dia ilay an-drainy izay efa namonoana azy . Novonoina ihany koa Rainitsiandavana ary ireo namany dia namponomina sy novonoina ary nompotehana ihany koa ilay tànana ; ary tsy azo nonenana ihany koa . Teo amin’ny resaka fifandovam-panjakana indray : Ralesoka sy Rabodonandriantompo ary Ratavanandriana dia nataon’ny mpanjaka Andrianampoinimerina ( ho Izimianadahiavy = Izy mianadahy avy ( Fanoratra amin’izao fotoana izao ) , avy amin’izy ireo mantsy no angalana izay ho mpanjaka handimby sy hitondra ny fanjakana . Izy ireo dia samy teraky Rasoherina anabavin’Andrianjafy ilay nitondra tapany ka nahatonga ilay fitenenana nalaza hoe: Izay zanaky Rasoaherina sy Ralesoka no manjaka . Ralesoka ihany koa mantsy raha ny heviny dia anabavin’Andrianampoinimerina iray tampo aminy . Andriatsimitovizafinitrimo no vadiny avy ao Ambohibeloma. Tsy niteraka izy mivady ireo ka nanangana an-dRadama I, sy Ranavalona , teraky Rabodonandriatompo. Nampivadiana izy roa ireo ary nipoitra teo ilay fitenenana malaza hoe : Radama no aloha vao Ranavalona na koa hoe : Ny tontolo andro an’Ilaidama fa ny farany an’i Mavo . Tadidio fa Rabodoandriatompo renin-dRanavalona I , io dia zanaka anabavy; vadin’ Andriantsalamamanjaka = Andriantsalamanandriana ( Olona iray ihany ve izy ireo sa olona samy hafa ) zanak’Andriatsimitovizafitrimo. Napetraka tao Ambatomanoina izy io . Niteraka an-dRazafianaka ( Novonoin-dRadama I sy Ranavalona I , raha vao nanjaka izy ireo ) sy Rafaramanjaka izay niteraka an-dRasoherina ( Rasoherimanjaka vadin-dRadama II , izay zanaky Ranavalona I ) sy Ramasindrazana izay niteraka an-dRamoma ( Ranavalona II ) .Io Andriantsalamanandriana io izay napetraky Radama I, io dia napetraka ho Menakely tany Ambatondrazaka ka lasa Andriambaventy . Anadahin-dRasendrasoa , vadin’Andrianampoinimerina, sady rain-dRasoherina , ary Rahiratra no rainy . Andrianampoinimerina ihany koa dia nametraka an’i Hagafotsy ; izay ho lehiben’ireo mpanapa-doha faha Andrianamponimerina ary i Hagamainty kosa no mpamelona na niaro ireo voampanga ary lasa mpanolotsaina hendry taty aoriana . *Ny Hova mainty : [ Ity dia fanehoan-kevitra hita tao amin’ny seraseran’ny tranon-kala iray ka izay azo noraisina ihany no hita ato ] Samy hafa ny hevitry ny teny hoe Hova-mainty, sy ny hoe Olo-mainty. Ny natao hoe Olo-mainty dia ireo Afrikana Masombika sy Makoa izay naondran’ny Arabo sy Vazaha sasany ka namidy natao andevo teto Madagasikara. Ny hova mainty kosa dia ireo hova malagasy taranaka hova na taranak’andriana , izay mainty hoditra nentim-paharazana hatrany Malesie sy India. Misy ary nisy mainty hoditra sy fotsy hoditra daholo ny Malagasy rehetra amin’ny foko samy hafa. Ka tsy ny maha fotsy na mainty hoditra akory no maha ambony na ambany firazanana azy. Ny razan’ireo andriana atao hoe : Sah, dia karazan’ireo Indiana mainty hoditra no ankamaroany. Raha izany anefa no jerena amin’ny fo tsy miangatra ; mahakasika ( momba ) ireo razan’andriana teto Imerina ; dia voalazan’ny tantara fa vavy mainty sy lahy mainty, toa an-dRafohy ; Rangita ; Andriamanelo , ka ny sasany aza dia ngita volo mihitsy ; toa ny Mpanjaka Rangita ; ka mandraka ankehitriny dia mbola maro ireo taranak’andriana no mainty hoditra sy ngita volo. Ireny no nahatonga ny fitenenana hoe : “ Ngita volo avo razana ”. Ary ny mahagaga indrindra anefa dia izao : Ireny hova mainty sy andriana mainty ireny dia misy miteraka fotsy. Ary ny fotsy koa dia maro no miteraka mainty. Efa fantatra fa ireo “ Malais ” razamben’ny Malagasy na avy any India na avy any Malezia dia mainty hoditra no ankamaroany. Indrindra fa ireo avy any Melanezia. Ka ny fotsy hoditra avy any “ Java ” sy Sumatra dia vitsy kokoa noho ny mainty. Ka rehefa nifangaro taranaka izy ireo dia nisy zarazara hoditra no ankamaroan’ny taranany. Nefa nisy mandrakariva ny mainty sy ny fotsy , toy ny tany am-boalohany. Rehefa nifangaro taranaka tamin’ireo Vazimba sy Antalaotra indray ny Malagasy ; dia vao mainka nifangaro volon-koditra hafa kokoa. Ireo “ Malais ” karazan’ny mainty hoditra izay mpiantafika malaza dia lasa lavitra hatrany amin’ny farany andrefana nifangaro tamin’ny Vazimba, ka izany no naha maromaro kokoa ny Malagasy mainty hoditra amin’ny faritany andrefana. Kanefa noho izy ireo efa nifangaro mialoha tamin’ireo fotsy hoditra, dia tsy vitsy akory fa maro ihany koa ireo taranany fotsy sy mazava hoditra ao amin’ny Sakalava. Teto Imerina dia nisy ireo fokon’ny “ Malais ” mainty hoditra izay nanana fanjakana hova nitokana tao amin’ny faritanin’Imerina, nisolo toerana ireo Vazimba nanaiky an’Andriamanelo. Nalaza fatratra ireo Mainty ireo. Ka ny Mpanjaka hova taminy mihitsy no nanatona an’Andriamasinavalona sy niray hina taminy nandresy ny Manjaka hova rehetra eran’i Merina. Ireo no nitondra voalohany ny anarana hoe : hova mainty, izay tarik’ilay olo-malaza natao hoe : Hagamainty, izay to teny sy mpanolo-tsaina hendry indrindra tamin’izany andro izany. Andrianampoinimerina dia mbola niantehitra tamin’ireo hova mainty ireo, ary nanome voninahitra azy fatratra, fa ireo no nisikim-ponitra namory an’Imerina ho fanjakana tokana niaraka tamin’Andrianampoinimerina. Fahadisoana be vava ny mpitantara izay milaza fa andevon’andriana fahiny hono ireo Hova mainty ireo. Andrianampoinimerina no nanao ny anaran’izy ireo hoe ny Mainty enin-dreny. Tsy andevon’olona na oviana na oviana ny Mainty enin-dreny , fa taranak’olona ambony sy andrian-drazana aza, ka nifehy ny razana Malagasy fahizay. Tsy dia mainty hoditra avokoa izy ireo, fa maro ihany no mazavazava sy somary fotsifotsy hoditra na ilay ataotsika amin’ny teny mahazatra hoe : “ Zarazara ”, nefa na izany aza dia notanany ho voninahitra mandrakariva ny anaran-drazany hoe Mainty enin-dreny. Ny hevitry ny teny hoe enin-dreny , dia tsy hoe nateraky ny vehivavy enina akory. Fa ny tena heviny dia hoe zanaky Imerina enin-toko, satria naely honina eran’Imerina izy ireo ; mba hitandrina ny fandrian-tany . Nomen’ny mpanjaka vody vona hipetrahany mihitsy izy ireo, ary tsy noferany izay faritry Imerina tiany honenana. Ireo mihitsy no tandapan’ny mpanjaka rehetra taloha sy mpanolo-tsaina azy. Ka tsy misy olona mahazo mihaona amin’ny Mpanjaka, na dia andriana aza raha tsy amin’ny alalan’ny Mainty enin-dreny. Ho levenam-bolam-boninahitr’ireo hova mainty ireo izay nanana andevo ohatra ny Hova rehetra ihany, dia ireo ihany no hova tsy azo noverezin-trosan’olona na heloka maha lasa andevo. Fa na andriana na hova hafa dia azo noverezina ho andevo avokoa. Ny hevitry ny teny hoe Enina , amin’ny fombam-pitenenana malagasy dia tsy hoe isa enina akory, fa filazana zavatra feno, lavorary henika. Anaram-boninahitra ny hoe enina. Ka izany no nanaovana ny Imerina hoe enin-toko, na dia tsy enina aza fa valo toko no isany marina . 1. Avaradrano 2. Marovatana 3. Vonizongo 4. Sisaony 5. Ambodirano 6. Vakinankaratra 7. Valalafotsy 8. Imamo Ireo valo toko ireo izay mbola niampy koa aza no natao hoe Imerina toko enina na Eni-toko. Ny teny hoe Reny ; izay nilazana ny hoe enin-dreny, dia filazana fa ny anaran-dreny no nanan-kery tamin’ny fomban-drazana malagasy nolovany tamin’ny tatsinanana nihaviany. Izany no nanaovana hoe enin-dreny, fa tsy hoe enin-dray ; Izany ihany koa no nahatonga ny fiteny hoe firenena avy amin’ny reny fa tsy hoe firainena avy amin’ny ray. Ny fiteny vahiny anefa dia milaza firenena avy amin’ny ray na ilay antsoina tsotra hoe : “ patrimoine ” na “ Patrie ”, fa ny an’ny Malagasy kosa dia “ matrimoine ” na hadika kosa hoe : “ Matrie ” ny Firenena. Taty aoriana tamin’ny andron’Andrianampoinimerina dia nozaraina toko telo ireo Hova mainty enin-dreny ireo : dia ny Tsiarondahy : karazan’ny fiteny hoe Tsimiamboholahy, Tsy resin-dahy no dikany. Ny Manendy, Mpanafay na mpanasazy no heviny, ary ny Manisotra na mpiady sy mpandroaka fahavalo no heviny. Lazain’ny tantara fa fasika mahamay nendasiny no nafafin’ny Manendy ny fahavalo nanafika ny vahiny tao atsimo tao ; ka tonga nampilefa ( nampandositra ) ny fahavalony. Ka efa hatramin’izany hono no niantsoana an’izy ireo hoe : Manendy. Ny anarana hoe mainty sy ny hoe Ngita dia anarana mihaja hatrizay ka maro no anaran’Andriana toy ny hoe Rakotomainty, Rasoamainty, Rangita, Rasoangita. Toy izany ihany fa lazain’ny Ntaolo fa ny olona mainty sy ny zarazara hoditra no be tsara tarehy noho ny tena fotsy. Ny mainty no lazaina hoe mateza dinihina. Ny ngita koa filazana hatsaran-tarehin-javatra amin’ny fiteny an-davan’andro, sady mbola fihaingoana mandraka androany amin’ireo andriambavilanitra ny manangita volo. Ny olona fotsy kosa dia lazaina hoe : marevaka tazanina fa mora pandaina. Tsaroan’ny mpitantara tsara tamin’ny fahazazany , ny tantara tsy mety hadinony fony fahavelon’ny renin’ny renibeny ; efa antitra sy niara-belona tamin’Andrianampoinimerina atao hoe Ramanankierana. Raha nahare ny zafikeliny iray lahy hanambady izy ; dia nangataka mba ho entina , ho jereny ilay zazavavy fofombadin’ny zafikeliny. Ny ampitson’iny dia nentin’ity zafikeliny tao aminy , ilay zazavavy fotsy tsara tarehy ; ka faly tokoa izy ; ary nitsodrano azy Rafotsibe Ramanana. Nony efa lasa anefa izy ireo ; dia izao no tenin’ilay Ntaolo vavy. Tsara sy mahafinaritra tokoa Razazavavy ; fa raha izany re no tsy fotsy , fa mainty na zarazara hoditra ; dia ho fara fanaperana tokoa amin’ny hatsaran-tarehy. Ankehitriny kosa dia ny fotsy no dokafana fa tahaka ny Vazaha. Ity ihany koa nisy tantara iray tsy azo kosehana amin’ny tantaram-pirenena : Ratsiahoatra , izay lehiben’ny tandonaka ( Tandapa ) faha Andrianampoinimerina . Rehefa narary ny mpanjaka dia nanambara izy fa ny zanakandrianato avy etsy Andrainarivo Fieferana no namorika azy, kanjo nampinomina tamin’ny tangena izy ireo ; fa tsy naninona ny akoho fa velona soa aman-tsara ; ka avotra ny zanakandrianato fa Ratsiahoatra kosa nampisotroina tangena tao am-bavany ka maty ; fa ny namany kosa velona sy avotra . Razakatahiny, teo Fandravana andrefana atsimon’Ambihijoky no itoerany ; dia nasain’Andrianampoinimerina nitondra an’Ambodirano na ho menakeliny noho ny soa sy ny asa vitany teo amin’ny fahaizana mifehy ny olom-pehezina . Faha Andrianampoinimerina ihany koa ; dia tsy azo niakaran’ny vazaha Arabo Anglisy ; Frantsay ; Karana ; Grika ; Afrikana , mihitsy teto Imerina fa hatreo Ambatomanga ihany . *Ny Mahakasika ireo heloka roa amby folo : Ny mikomy ; ny manangana andrian-kafa ; ny manamin -drova ; ny manera vadin’andriana ; ny mangaron-dapa ; ny homana tongoa mionkona ; ny manao tenin’andriana tsy ho masina ; ny azo tamim-bola aman-karena ka ny tsy mety atakalo no mety ; ny manao odi-mahery sy ny mamosavy ; ny mamono olona ; ny mangalatra ; ny mamoky sy manaratsy ny tany sy ny fanjakana ; ny tsaho amin’ny fanjakana ; ary mbola nampiana an’ireto taty aoriana : misotro toaka ; mifoka rongony ; homana paraky ; ny mpitsara manao fitsarana miangatra ; ny mpifehy homam-bahoaka ; ny homana olom-potsy ; ny mangalatra olona ; omby ; lakana ; ny manao be hariva ; ny mandidy lamba am-bahoaka ; ny mangalatra an-tsena ; ny manao vata famarana diso ; ny manao fadanjana diso . ny mangala-bovo ; tsy azo atao ihany koa ny manohi-joky . *Ireo sazy mety ho azo , amin’ny fandikana ny lalàna : Arakaraka ny heloka vitany sy nataony , no nomena azy . Ka ny sazy dia mety haharitra na mandritra ny heritaona ; Mandritra ny roa na telo taona . Ao ohatra ny gadra fohy sy gadra lava izay atao amin’ny vy na hazo ; ka toy izao no atao aminy : Fatorana akambana ny tanana roa sy ny togotra roa . atokana amin’ny toerana iray mafy dia mafy ny fiambenana atao aminy . Ny Very vady aman-janaka . Ireo ampinomina na ampisotroina tangena izy tenany na ny biby ohatra . Ireo novonoina notapahan-doha ary natao sesitany ihany koa . Maty na mety mahavo - tena . Mety ho lasa mpanompo ; Mandoa vola na omby ; Raha ambenana mafy ilay gadra dia ho vonoina ho faty izy izay . Raha honerana ny saziny dia : alaina avokoa ny fananan’ilay gadra rehetra ; dia afaka izy . Ny Heloka kely kosa dia : Manasina andriana , mandoa volatsivaky sy omby volavita . *Ireo ataon’ny mpiray vody rindrina na ny mpiara-monina : Ny raimandreny dia masi-mandidy amin’ny hareny na ny lovany . Ny Manangan-jaza . Ny Fati-dra . Ireo soatoavina isan-karazany : Famandihana ; Fanambadiana ; Famorana ; Fahafatesana . Ireo lanonana fanao isan’andro ; isam-bolana ; isan-taona . Fanorenana trano ; Fasana ; Hadivory ; Tanimbary ; tahalaka ; valan’omby ; valam- parihy ; toha-drano . Na dia mafy toy izany aza , ny didy izay nampiharina teto amin’ity Nosy iombonana ity fahagola ; dia nisy ihany ny indro kely ny mpandrafitra . Henika jirika na jiolahy ny tany rehetra , ary tsy nisy toerana mba nilamina ; fa nisavorovoro aoka izany . Niroborobo tokoa anefa ; talohan’izao ny varotr’olona , ary ny tao Ankova sy Andratsay no tena ; nandratoana olona maro mba namidy ho andevo ary navarina tao “ Maurice ” sy “ La reunion ”, izay tsy nisy mba nisy an’izany kanefa ; dia toeram-pamaharan’ny tafika Frantsay. Isam-bolana ; dia olona 1000 na 1500 eo ho eo no navarina tamin’ny taona 1800 tany ho any. Ireo toe-javatra nifandrirotra sy nifandrohirohitana no nahatonga ny fampiasan-kery ho sarotra alavirina. Teo kosa anefa ny tena halatra mihitsy no nataon’ireo mpijirik’olona ireo . Tsy mbola nisy kosa ny soratra na fanisana, fa ny teny no efa niraisan’ny teto anivon’ity Riaka ity talohan’io taona 1800 io. Nobeazina tamin’ny sekolin’ny Ntaolo ny zanaka aman-jafy, toy ny ohabolana ; kabary ; angano ; hainteny . Izany no nanefena azy ireo ho tonga olom-banona. Nanana ny lanjany teo amin’ny kabariny Andrianampoinimerina rehefa hihevi-draharaham-panjakana na hanolotra soso-kevitra na koa hanome fahefana izay mila izany. Tamin’ny alalan’ny kabary ohatra no namoriany ny Merina eni-toko, nandaminana ny raharaha, ny didim-panjakana, ny nanamboarana ny fefiloha, ny fitsarana izay mbola olona notendrena ho mpimasy ka ny Tangena sy ny ody no natao hitsarana. Nanjakan’ny sampy ny toerana samy hafa, nandaminana ny “ Marakely ” na ny Miaramila ankehitriny, ny lalàna nentina nandresena ny mosary ary namporisihana ny ambanilanitra hankatoa ny lehibe. *Ireo toerana nalaza izay natao hikabariana raha hilaza ny tenin’andriamanjaka : Antsahatsiroa ; Analakely ; Amparibe ; Andohalo ; Ambatoroka ; Sahafa ; Ambatondrafandrana; Ambohimanga . Ireto kosa no toerana madinika izay nikabariana tsindraindray ihany ka nataon’ny tsimandoa : Ambatomaro ; Amboditsiry ; Manjakaray; Soamanandrariny ; Fieferana ; Ambatomena ; Ambatomena Mananara; Ambohimanambola; Fandàna ; Masindray ; Andraisoro . Tsy mbola tongan’ny Fivavahana ny vanim-potoana nanjakany ka haizina no nameno ny fanjakany. Maro ny sampy isam-bohitra sy notompoin’ny mpanjaka ary nivavahan’ny olona : kelimalaza tao Ambohimanambola ; rafataka sy manjakatsiroa tao Marovatana Antehiroka ; izay Andrianampoinimerina tenany no nanompo sy nivavaka taminy ; ramahavaly tao Ikongo faritra Tanala sy Betsileo ; rabehaza sy ratsimahalahy ; ravololona tetsy Ankandindravololona . Ny sampy hazo madiro any amin’ny faritra Tsimihety sy ny Sakalava. Nanjaka ny sikidy sy ny tangena. Tsy nivoatra firy ny tanàna. Nisy fiavahana ny saranga fa ny mpanjaka nanao trano hazo sy tsara tarehy fa ny an’ny vahoaka kosa trano bongo ary ny mpanan-karena kosa niadana tamin’ny trano kotona sy terilatsy. Azo heverina fa niadana ihany anefa ny vahoaka tamin’ny andro nanjakany satria nandala ny fihavanana. Nino an’ilay Andriamanitra nahary ny tongotra aman-tanana any an-danitra izy saingy tsy nahafoy ny zanahary sy ny razana ka nitoky tamin’izy ireo . Ny Alahamady, izay volana nahaterahany no andro nataony ho fetim-pirenana ka nomeny anarana hoe: “ Fandroana ” nanao toy izay ihany koa Ralambo mpankan’Ambohidrabiby talohany. Efa maro ireo vahiny tonga sy nifanerasera teto, ka anisan’ireny : Ny Arabo mpijirika na olona na entana hangalarina na nividy ihany izy ireo na nanakalo ihany koa .Ny Sinoa ; ny Espaniola ; ny Frantsay ; ny Anglisy ; ny Indiana ; ny Grika , eny hatramin’ireo Afrikana aza . Izy ireo dia nifototra teo amin’ny asam-barotra. Rehefa natsangan’Andrianampoinimerina ny tsena ; dia foana ny takalo , fa nisy ny vola, ka ny vola nampiasan’ny vahiny tany aminy no nampiasaina teto, toy ny volamena sy ny volafotsy ( Tsanganolona ) *Ny Vola Malagasy , tamin’ny taona 1785 : Ny Ariary no vola ambony indrindra tamin’izany ; ary tena nanan-karena izay nanana azy . Ny Ariary : Sasahana Loso Ny Ariary : Teloina Sasanangy ny fahatelony Ny Ariary : Efanina Kirobo ny fahefany Ny Ariary : Dimiana Iraimbilanja latsaka Ny Ariary : Enemina Venty sy fahenina Ny Ariary : Fitoana Lasitelo latsaka kely Ny Ariary : Valoana Sikajy Ny Ariary : Siviana Sikajy latsaka erany Ny Ariary : Foloina Lasiroa, ila voamena Raha zaraina : 12 Roavoamena Raha zaraina : 16 Lasiray ila voamena sy Iray Raha zaraina : 24 Voamena Raha zaraina : 48 Ilavoamena Raha zaraina : 72 Eranambatry Raha zaraina : 144 Varidimiventy Raha zaraina : 720 Variraiventy Ny Voamena , izay Ariary nozaraina 24 dia mbola azo nosasahana ihany koa : Ny Voamena : Sasahana Ila voamena Ny Voamena : Teloina Eranambatry Ny Voamena : Efanina Varifitoventy Ny Voamena : Dimina Varienimbatry Ny Voamena : Enemina Varidimiventy Ny Voamena : Fitoina Varidimiventy mihoatra Ny Voamena : Valoina Variefabenty Latsaka Ny Voamena : Sivina Variteloventy mahery Ny Voamena : Foloina Variteloventy Anisan’ireo vola nampiasaina teto Madagasikara *Tamin’ny androny no nanasokajiana ny fiandrianana ny zanak’andriana hanjaka ho toy izao : Zazamarolahy Andriamasinavalona Andrianatompokoindrindra Andrianamboninolona Andriandranando Zazadralambo Ny fahafatesan’ny mpanjaka dia natao hoe : « Miamboho » ary ny fatiny dia noheverina hoe : « Masina », rehefa halevina kosa dia lazaina fa : « Afenina ».Tapi-masoandro no entina hilazana ny ala-fadiny. Hisaonana ny mpanjaka ary ny vahoaka dia mibory volo ny lehilahy fa misarakorako volo kosa ny vehivavy, misy mihoatra aman-taonany. ( Vola nampiasana fahizay sy ny ody gasy tamin’izany ) *Nosokajiana ho telo kosa ny saranga : . Andriana . Hova . Andevo Ny Miaramila ; dia nomena voninahitra izay mendrika hahazo izany ; ary nahazo hanana izany koa ny mpanjaka . Ka iray , ka hatramin’ny 16 izany voninahitra izany . Fa ireo saranga ambony ; dia nanan-jo hahazo izany ihany koa , tao ireo zanak’andrina nanompo tao an-dapa na ny hova niasa tao amin’ny lapan’ny praiminisitra na ny soa vitany ho an’ny Firenena. Raberesaka , anankiray amin’ireo tsimiamboholahy izay nampanjaka an’Andrianampoinimerina , sady mpitari-tafika kalaza no mahery miady ; dia nomena izany voninahitra izany ihany koa . • L’organisation du Gouvernement d’Andrianampoinimerina : [ Andrianampoinimerina , no Mpanjaka : Niainga avy any aminy avokoa ny baiko rehetra. nandalo teo ambany : « Gouverne directement avec les Vadin-tany, Le Menabe, Imerina Domaine Royal » sy ny Confie aux nobles les Menakely, hors de l’Imerina. Ny fahefan’ireo kosa dia ny : » Tous deux sont divisés en Fokontany, dont les habitants le Fokonolona.] • Fikomiana Faha Andrianampoinimerina : Rabodolahy sy Rakotovahiny , rahalahiny dia nikomy tamin’Andrianampoinimerina rainy satria , tsy nety nanatanteraka ny teniny raha nasainy haka ny tany izy nohon’ny fahafantarany fa Radama no hampanjakaina ; fa tsy izy lahimatoa ; kanefa izy dia zaza natsangana . Novonoina noho izy nikasa handatsaka ny ain’ny mpanjaka rainy sy Radama . Ny fokon’ny Zafinandriamamy , izay nanampy an-dRabodolahy ; dia novonoina , ary izy kosa nalevina tao Ambohimanatrika . Rafaravavinandriambelomasina ; dia rahavavin-dRabodonimerina izay niteraka an-dRabodolahy sy Rakotovahiny . Tsy niteraka mantsy Rabodinimerina vadin’Andrianampoinimerina ka natsangany izy mirahalahy . Ny manahirana amin’ity tantara mantsy ; dia io Rafaravavinandriambelomasina io dia nanambady an’Andriantsimitoviaminandriazanany , avy etsy Antanjonandriana izay etsy atsimon’Ambohipeno . Ary milevina ao Ambohitrandriananahary . Misy rohim-pihavanana amin’ny andriana izany . Novonoina Razakabezafy sy Rabodonimerina izay samy vadin’Andrianampoinimerina , ka itsy farany dia nanirahana an’i Hagafotsy izay lehiben’ny mpamono olo-meloka , saingy tsy nahafaty ka nanirahana an’i Vaitra , izay nahavita namono tokoa , kanjo fitsapana ihany ka nampamonoan’ny mpanjaka . Nalevina ao Namehana Rabodonimerina . Tsarovy fa i Mavo izay nampivadiana tamin-dRadama io dia, zanaky Ralesoka izay anabavin’Andrianampoinimerina : ka nahatonga ilay fiteny malaza hoe : « Ny tontolo andro ho an’Ilaidama , fa ny farany ho an’i Mavo . » . Ity misy tantara iray tena nampihetsi-po : Rehefa maty Rangorivahiny , andriambavy izay vadin’Andriambelomasina dia nalevina tao atsimon-drovan’Ambohimanga izy ary nasiana tranomanara ho marikin’ny fiandrianany . Izay eo atsimon’i Mahandrihono . Kanefa raha avy izay hahasimba izany tranomanara izany dia tsy azo soloina intsony = Ny tranomanara mantsy ; dia ilay trano vita amin’ny hazo eo ambony fasana ireny ho famantarana fa andriana no milevina ao . ( Fomban-drazana fahiny izany ; saingy amin’izao fotoana izao ; dia tsy fantatra intsony satria dia misy ny tena mbola vaovao be tokoa , kanefa rehefa simba izany dia tsy azo soloina intsony . Amiko izany dia mampiseho ny lainga tsara lahatra mahakasika ny fiandrianana , tsy tena izy akory ; fa ankositra ihany . ) Ny Fikomiana nataon-dRamavolahy , izay zaza hafa reny ; satria nialona an-dRadama ; izay hampanjakaina . Ary novonoin’ny mpanjaka izy ireo na dia zanany aza . Niamboho Andrianampoinimerina ka nalevina ao amin’ny tranomasina ao Mahandrihono , avaratr’Andriambelomasina ao Ambohimanga.. 65 taona izy vao maty. Tamin’ny Taona 1805, dia Atoa Rainifiringa no « Premier Ambassadeur Plénipotentiere ». [ Tamin’ny Taona 1774, dia tonga teto Benyowski, ilay mpijiri-pahefana ka nisandoka ho Emperoran’i Madagasikara. Nitady fanampiana hatraiza, hatraiza fa tsy nahazo na tany Angletera na tany Etazonia. Maty nahantra ity nilaza ho Mpanjakan’ny Mpanjaka teto Madagasikara ity .] [5] . Ny fanorenana ny lapa moderina dia fanavaozana netin’ireo vahiny Eropeana tamin’ny taona 1663 , izay vanim-potoana iray , nisian’ny fizarazaram-panjakana ; Ny taon-jato faha 17 . Satria raha hadivory sy fefy no nataon’izy ireo , dia bateria kosa no nampianarin’izy ireo raha tonga teto Madagasikara ny iraka nalefan’ny mpanjaka lefitra avy any Portigaly atao hoe : Don Jeronimo de Azevedo . Nampianarin’ izy ireo ny fomba fiarovana ny tanàna ka vetivety dia hita tany amorontsiraka ny manda mimanda sady avo no sarotra nanihana . Raha tsaroantsika tsara ; dia ny fanjakan’Andriamanaly : 1640 - 1680 , izay nanamorona ny morontsiraka atsimo atsinanana sy ny ilany andrefana atsimo iny izany . Efa hatramin’ny praiminisitra , Cardinale Duc Armand Jean du Plessis de Richelieu , i Frantsa no efa nihevitra ny hanjanaka ny firenena Malagasy .[ La France pensait pouvoir accéder à la possession de Madagascar] . Ny taona 1641 , ny Sociaté de l’Orient ; izay naorin’ingahy Richelieu , tamin’ny 24 Jona 1642 ( Izay maneho sahady an’i Madagasikara ho orinasan’ny Lafrantsa ) Ireto ireo voanjo frantsay tamin’izany , izay niala tao La Rochelle ; niondrana an-tsambo iray atao hoe : « Saint Laurent » ; ka ny Kapiteny Roger le Bourg , no komandan’ny sambo . Ireo mpandraharaha izay iraka ara-barotra kosa dia Etienne Fouguet sy ny Duc de la Meilleraye . Ireo olona ireo dia olona akaiky na azo heverina fa taranaka andriana tao frantsa mihitsy . [ Le nobles construisent les chateaux…pour controller, par la defense de la zone les entorant et symbole de leur puissance, leur pouvoir politique et économique ] de Richelieu *Ny Lapa , izay naoriny ; ary anisan’ny tena nalaza indrindra tamin'ireo lapa ireo na tranon'andriana tranainy dia i Mahitsielafanjaka izay najoron'Andrianampoinimerina sahabo tamin'ny taona 1796 eo ho eo. Hatramin'ny andron-dRanavalona I, dia tao no nitahirizana an'i Manjakatsiroa izay sampim-mpanjakana nitokisan' Andrianampoinimerina fatratra, ary hatramin'izao dia mbola hita eo anolohan'ny trano ny tsangambaton'Ikodoka, mpiady maheri-fon' Andrianampoinimerina, natao hiaro ny sampy. Ny trano hafa najoron'Andrianampoinimerina dia i Besakana, eo avaratr'i Manampisoa. Io Besakana io anefa dia nanolo trano iray hafa, efa nampitondraina indrindra koa ny anarana hoe Besakana, najoron'Andrianjaka, ary araka ny lovan-tsofina dia tao no nanaovana ny soron'i Trimofoloalina mba hamerenana ny hasin' Andriamasinavalona rehefa afaka soamantsara tamin'ny fitazoman-janany an-keriny azy tany Ambohitratrimo ny mpanjaka. *Ny Vavahady Fito ao Ambohimanga Rova : 1. Andakana , ambany andrefana 2. Miandravahiny , andrefana avaratra 3. Amboara , avaratra 4. Ambatomitsangana , atsinanana 5. Antsolatra , Atsimo atsinanana 6. Andranomatsatso , atsimo 7. Ampitsaharana , atsimo andrefana *Ireo milevina ao amin’ny tranomasina : 12 no isany ; izay 12 miandalana ka ny 4 lehibe no eo Avaratra ary ny 8 ao atsimo . ( Ambohimanga ) Ny renin’andriamanjaka no ao, ka ny eo an-dafy atsimo indrindra dia : 1. Rangorinimerina 2. Rampanambonitany 3. Rasoherina ….sns Ny ao avaratra kosa : 1. Andriantsimitoviaminandriana 2. Andriambelomasina 3. Andrianampoinimerina 4. Rabodonandrianampoinimerina Vavahady hidirana ao Ambohimanga fahizay *Fiokona tsy namoizana aina : Tena tsy nahafaty tokoa , raha ny zava-nisy teo amin’ny fitondran’Andrianampoinimerina no resahana . Fiokona saika hampanjaka ny zanak’andriana Rapoenty; fa tsy Ilaidama . Tena tsy fantatra hoe , iza tao an-dapa no te hampanjaka azy ; ary zanak’iza ihany koa ity hampanjakaina ity ; fa ny hany tsilion-tsofina nivoaka ka tonga tao an-dapa , no nandrenesana fa misy te hampanjaka ity andriambavy ity . Tsy novonoina izy ary tsy nokasihana ihany koa . Tsy fantatra ihany koa ny antony , satria ny andriana dia tsy namela mahazo ireo izay misavi-panjakana ; na ireo izay manohitra ny hafatra nataony ka napetrany ho an’ireo andriana tsy manjaka . Natao sesitany tao Mamoriarivo , etsy Talata volonondry izy ary maty nahantra tao . Printsetsy Rapoety ( Rapoenty ) Karazana Sampy fampiasa teto [Sary indrana tao amin’ny Eterineto] Madagasikara fahiny sy ankehitriny [ Sary nataon’i Compal ] 2.1.2 Radama I ( 1810 - 1828 ) = Hitohy amin'ny manaraka indray raha tsy misy ny sampona
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/15-ireo-vanim-potoana-lehibe-tohinilay-madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitriny
1.5 . Ireo vanim-potoana lehibe . { Tohin'ilay Madagasikara Ny Lasa sy ny Ankehitriny....)
NY Andri-Fara
1.5 . Ireo vanim-potoana lehibe . { Tohin'ilay Madagasikara Ny Lasa sy ny Ankehitriny....) 1.5 . Ireo vanim-potoana lehibe . 1] 901 - 1898 = Tafiditra ao anatin’ny taona arivo voalohany faramparany sy ny faharoa izy ity ; na ny taon-jato fahasivy amby folo . * Ny Fahagolatany : Ny fahagolan’Andrianerinerina , dia azo zaraina telo miavaka tsara A. Ny vanim-potoan’ny angano = lazaina fa angano avokoa ireo zava-niseho talohan’ny taon-jato faha 10 ka hatramin’ny taon-jato faha 13 : 901 - 1300 . Tsy mbola nisy ny soratra , noraiketina am-bava avokoa ny tadidy rehetra . Tsy mba nanana tahirin-tsoratra vita tamin’ny hazo na takela-tanimanga akory ny Ntaolo . Nahoana ary no tsy voaraikitra an-tsoratra izany zava-tsarobidy nandalo teto amin’ny Firenena izay nambara fa nandova kolontsaina tamin’ireo olombelona efa nahay nanoratra toin’ny Firenena : Jiosy ; Aziatika ; Afrikana sy ny sisa . Izay Firenena efa nandroso tokoa talohan’i Kristy ? . Tsy marina izany satria tsy maintsy nisy olombelona efa nandroso tamin’ny lafiny rehetra tonga teto Madagasikara ; ka nahoana ary no very ny momba azy . Marco Polo , ilay tera-tany vahiny avy any ivelany , ny taona 1300 , no nahita an’i Madagasikara voalohany . Na inona ambara na inona lazaina ; na iza hanam-porofo ny fahamarinan’izay ambara , na io voka-pikarohana na fandrorihizana ny boky nosoratan’ireo mpikaroka vainy na Malagasy marobe tokoa ; dia azo inoana fa efa nisy mponina teto Madagasikara . Ary hazavaiko aoriana kely ao ny antony . Ireo mponina ireo aloha dia tsy mba nifangaro tamin’ireo mpifindra-monina faobe ; fa izy irery ihany no niolonolona samiery teto anivon’ity tany ity . Manaiky aho fa tsy teto ireo mponina voalohany ireo ; fa saingy azo antoka aloha , fa tsy mba nisaratsaraka na tonga tsirairay na tsitelotelo na vondrona samy hafa ireo vahoakan’ny fahagola ireo ; fa vondrona iray ihany . Fa rehefa tafiditra teto vao samy nizotra tany amin’izay nitoerany . Ireo vahoaka ireto no nanana ireto fomba amam-panap ireto : . Tsy mba nanana fasana iombonana izy ireo ; fa nalevina tamin’ny toerana iray isaky ny lavaka na ihany koa nasitrika tao anaty honahona . . Nanana soatoavina natanjaka tokoa , izay tamin’ny alalan’ny Zokiolona . Izy ireo no nanana ny fahefana ambony indrindra ary tena nirindra tokoa izany . . Tsy mba nitoetra tamin’ny trano izy ireo fa teny amin’ny lavaka na ny vato . Ekena fa efa nahay nandrafitra izy ireo saingy tsy nampiasa izany ho tombontsoan’ny manokana . Tsy olon-dia kosa anefa na ilay lazaina fa baribariana . Ny azo hilazana azy ; dia olona te hivoatra amin’izao hitan’ny masony . Nisakafo masaka ; efa nahay nandrehitra afo . Niteny tamin’ny fiteny tokana (49) ; Tsy nahay nanoratra ; mpihaza mahay ary anisan’ireo nandritra ny biby samikafa sy ny ala . Tsy mba nifandrafy izy ireo fa nifanambady taranaka . Mpitevy ala ary mpamboly ihany koa . Araka ny voalazako tery aloha , dia taratr’ireo tevy ala na ny tsy fahitana ireo bibin’ny fahagola no fototra tokana hanamporofoana ny fisian’ireo vahoakan’ny fahagola ireo . Ny mponina manamorona ny moron-tsiraka atsimo atsinanana ; dia efa nahay ny Sorabe avy tamin’ireo mpino Silamo na ny vahoakan’i Arabia . Tsy tafapaka taty anivon-tany izany fa toa tafajanona tao ihany na dia nisy tamin’izy ireo aza tonga teto anivon-tany . Nandripaka ny ala izy , sitrany ihany namelomany ny vady aman-janany sy ireo vahoaka niara-dia taminy . Ireo tontolo maitso nanodidina azy ireo dia nihafoana tanteraka ka zary ngazana . Ohatra aùin’izany Analamanga ( Antananarivo ) sy Ivonea ( Fianarantsoa ) . Tsy nisy antony manokana akory izany ; fa noho ny toe-tany nahavokatra , sady maro tany lemaka azo hamokarana tsara na dia ny vohitra avo tokoa aza . Nahay nifankatia sy nandritra ny rafi-piaraha-monina . Ny taon-jato faha 15 : 1401 - 1500 , tany ho any no nisandratan’ireo mponin’ny fahagola ireo . Tombanana ho efa nisy mponina 390.000 , tany ho any teto amin’ny Nosy . Tsy namela dindo ho azy mihitsy izy ireo , afa tsy ilay tao amin’ny harambato any Ambohimaha ihany na izay hita fa tsy fantatra ny fisiany . Maro ireo fasana anirotra sy dogon-tany mampatahotra , izay heverina ho fasam-bazimba ka tsy sahin’ny mpikaroka nanaovana fikarohana . B. Ilay vanim-potoanan’ny fihoarana . Ny Taon-jato 13 , ka hatramin’ny taon-jato 16 : 1300 - 1405 = Efa fantatsika ; fa nisy olon’ny fahagola 390.000 , tamin’izany . Naharitra 105 taona ity vanim-potoana faharoa ity ; raha toa ka 399 taona ; ny teo alohany . Nanomboka niharatsy ny fifandrasana tamin’ireo olon’ny fahagola ireo , raha vao tonga teto anivon-tany izy ireo . Ny tendrombohitr’Angavo , izay tazana ery atsinanana , no nipoitra tampoka ity lazaina fa avy any an-danitra ; araka ny finoan’ny fahagola fa zanak’andriamanitra nidina tety an-tany ; no nilalao tamin’ireo vazimba . Sady tsy zanak’andriamanitra izy no tsy tompon-tany ; fa anisan’ireo mpifindra-monina taranak’ireo “ Naacals ” avy any andafin’ny riaka . Ilay mponin’ny tany foana “ MU ” . Mahay mahakasika ny majika sy ny fanandroana izy ireo ; ary mahay mamantatra ny vintana sy ny resaka astrolojika . Ny resaka momba ny tany sy ny volana ; ny tontolon’ny fanahy tsy hita maso sy ny hita maso . Io Andrianerinerina io , ilay nasondrotrin’ny vintana , fa nanana fahalalana ambony noho ny hafa izy ; ka nanandratra ny tenany ho mpitarika . Na dia teo aza izany ; dia ny olon’ny fahagola sasany ihany koa , efa nahatsikaritra ny hevi-petsin’ity farany ka nanomboka niparitaka sy niady an-trano . Tsy nahatoky tena intsony ka nifanafika fa te-hanana tany betsaka noho ny hafa . Na izany aza dia tsy mbola nofeheziny tanteraka ireo olon’ny fahagola ireo ; afa tsy izay teny Angavo ihany . Mbola samy masina an-taniny ireo vahoaka samihafa ireo . Ny mampiahiahy amin’ity fikarohana ity (50) , dia ny fahitana lovan-tsofina telo samihafa , mahakasika ireo olon’ny fahagola na vazimba teto amin’ity Nosy ity ; ka niavian’izao fitondrana izao . Andeha ange ho alalinintsika tanteraka e , dia mba mikaroha koa ianao e! Misy milaza araka izay voarakitra tantara , fa Andriandravindravina no voalohany amin’ireo olon’ny fahagola ireo ; mifanindran-dalana aminy eo Andrianizinizina sy Andrianerinerina . Ny mahagaga anefa dia mifangaro voraka ny tantara , kanefa dia lovan-tsofina iray no notrandrahan’io Mopera izay nanoratra io boky io sy nanangona ny tantaran’andriana ; hatreo amin’ny fiandohan’ny vazimba sy ny faha mpanjaka . Raha jerena izany vanim-potoana izany dia teo anelanelan’ny taona 1896 - 1908 . Atoa Augagneur , no governora frantsay teto ; Andeha atao hoe , teraka tamin’ny taona : 1759 ; ireo ray aman-dreny nahazoana ny lovan-tsofina , izany hoe feno 80 taona izy ny taona 1839 ; kany zanany izany dia vinavinaina ho teraka tamin’io ka rehefa feno 10 taona izy dia nitantaraina ny fandehan’ny tantara . 70 taona io zanany io ; tamin’ny taona 1909 . Mety hitombina ve izany ?. Iza no nahalala io vanim-potoana io ? fahagola anefa . Raha io ary no hiaingana dia azo fantarina ; fa tokony hitombina ny fanadihadihana nataon’io Relijiosy io , ary tsy tokony hisy fifandisoana mihitsy na dia olona samihafa aza no nanaovana fikarohana sy fanadihadihana . Izao ary ilay olana arak any efa nambarako tery aloha , kanefa dia miafara amin’ny tokony hiafarana ihany . Na tiana na tsy tiana anefa dia andriana no nilazana ireo olon’ny fahagola nahiran-tsaina ireo ; kanefa izany dia tsy hita raha tsy tamin’ny andron’ny mpanjaka Rafohy tetsy Alasora . Andrianizinizina - Andrianalinalina - Andrianamponga ; izay samy tao Fanongoavana . Fanongoavana dia etsy Beravina izay atsinanan’Ankadivoribe . Atsimondrano ankehitriny . Ireo no nifandimby nitondra ireo vondron’ny fahagola sy ny vazimba niaraka ireo . Andrianamponga ; kosa dia nanorina ny fahefany tao Fanongoavana . Andranolava , zanany kosa dia nifindra tao : Ambatondrakiria . Ireto nifandimby fahefana ireto kosa ; dia nifindra teo Ampandrana = Rafandrandava ; Ramasindohafandrana ; Rafandrampohy . Ny Mpandimby an-dRafandrampohy kosa ; dia Rangitamanjakatrimovavy , izay nanara-bady ; ka nanorina ny fahefany tao Merimanjaka . Rafohy , izay nandimby azy kosa dia namindra izany tao Alasora , tany amin’ny tanindrazan’ny vadiny . Andriamanelo zanany no namindrany ny fahefana , tao Alasora ihany . Diniho tsara an! Indro ny iray hafa ; ka anjaranao no mandinika . Andrianerinerina = eo Anerinerina , izay avaratry Angavokely no nisy azy . Milevina ao avaratry Ambohimalaza izy . Kilonjy no eo avaratr’Anerinerina ; tsy misy olona intsony io tànana io fa fasan’ireo zanak’Ambony no ao . Avy eo nodimbiasan’ny zanany Andriananjavona , teo Angavo Atsinanana izy no namahatra sy nanangona ny heriny tamin’ny fahefan-drainy . Nandimby azy tao Andrianamponga . Nifindra tao Ambohimanjaka kosa ny zanany nandimby fahefana ; dia i Andriandranolava ; avy eo nodimbiasan’ Andrianamboniravina , izay tao Beravina , atsinanan’Ankadivoribe . Ireto izay nandimby fahefana kosa ; dia nifindra tao Ampandrana avokoa : Andriampandrana ; Andriandohafandrana ; Andriampandramanenitra ; Rafandrampohy ; Rafandrandava . Rangita sy Rafohy , dia nifindra tao Merimanjaka ; avy eo Rafohy nidina tao Alasora . Andriamanelo kosa dia nandimby ny fahefan-dreniny , tao Alasora . Tsy mbola izay , fa araho ny lovan-tsofina manaraka : Andriandravindravina , tao Ambohitsitakatra ary milevina ao . Any avaratra mankany Vodivato amoron’ala . Niteraka telo izy , dia = Andrianoranorana no voalohany ; Andriamanjavona kosa no faharoa ; ary Andriananjavona no fahatelo . Iroa voalohany dia niampita niatsinanana , ka lasa any Maroantsetra ; ny faharoa kosa dia namahatra tany Angavo ; ary ny fahatelo dia nikisaka teo akaikin’ny faharoa , dia tao Anandribe izay akaikin’Angavo ; andafy andrefana . Io Andrianandravina io , no nisehoan’ilay fitenenana hoe : “ Trandra-binaky ” [ Tamin’izany mantsy , tsy mbola nisy ny voly vary ; ovy ; mangahazo ; vomanga ; saonjo sy ny hafa , fa saingy rakotr’ala matevina kosa ny manodidina . Izay tontolo tazana rehetra dia maitso avokoa] Resaka trandraka eto no resaka ary nampisafidianana , itsy zoky sy ilay faharoa . Ny zoky moa ; ny hanina no nahamay azy ; fa ilay zandry kosa dia ny tany no tiany . Raha tsaroantsika satria efa nambarako tery aloha ny momba an’Andrianerinerina ; izay lazaina fa zanak’andriamanitra sy latsaka avy tany an-danitra ; dia toraka izany ity vadin’Andriamanjavona , izay atao hoe ; Andriambavirano ity , izay nonina tao Angavo ihany . Raha ny fikarohana tombatombana nataoko dia ankevitrin’ny fianakaviana na iray tarika amin’Andrianerinerina izy ; na tena zanany mihitsy . Niainga avy tamin’Andriamanjavona ny fisalorana ny fahefana tamin’Andriandravindravina . Niteraka an-dRajanahary , izy dia nitoetra tao Ambohijanahary . Izy kosa niteraka an-dRafaravavy , teo Farihy ; ambany avaratry Merimanjaka . Eto no somary nampisavoritaka ny tantara , fa araho tsara = Io Rafaravavy io , dia milevina ao Ambohijanahary ; ka nahavery anarana io vohitra io . Niteraka efatra mianadahy izy io ka ireto avy : Andriampandrana no zoky lahimatoa , nifindra tao Ampandrana izy ; Rafaramahery no vavimatoa , mbola tao Ampandrana ihany ; Ratsiseranina kosa no nisafidy sa nampisafidianana ho ao Andraisisa ; tsy nanoa izy araka ny tantara eto . Ary ny farany dia Rafohy ; sady faravavy rahateo ; ka nonina teo Merimanjaka . Niainga avy amin’Andriampandrana ,indray ny famindrana fahefana ho an’ny taranany ; izay samy tao Ampandrana avokoa ; afa tsy Rafohy sy Rangita ary Andriamanelo ; izay teny Alasora . Ireto ary ireo tao Ampandrana : Andriampandrana ; Rafandrandava ; Rafandrampohy ; Rafandramanenitra . Ratsiseranina ; dia very tantara . Rafaramahery kosa ; dia niteraka an-dRamavobe ; ary Ramavobe io ; no niteraka an’Andrianamponga , tao Ambohimahatakatra ; ary Andrianamponga niteraka an’Andriandranolava , tao Ambatomanoina ; milevina ao izy . Ny farany dia Rafohy , izay niteraka an-dRangita ; ary io Rangita io no niteraka an’Andriamanelo tetsy Alasora . Io Andriandranolava io , no nisehoan’ny fanjakana ifanoavana , izany hoe ; Ny zoky no mandova fanjakana , fa ny zandry kosa no manoa azy , tsy manana fahefana amin’ny raharam-panjakana , na nitondra fanjakana . Tsy haiko na fantantrao na tsia ; fa Baroa , dia olom-panjakana iray mpiadidy amin’Andriandranolava . Ity farany moa dia tsy ao an-trano lava fa mandeha foana , ka izy natao handamina ny fanjakana indray no namaha-tena = Nobedain’i Baroa ny vahoakan’Andriandranolava , satria nahoana ? Ny vitsy no mihinana ny be . Ny vitsy ihany koa ho an’ny maro . Ny madinika hanin’ireo vaventy ; ka nilaza lainga Baroa rehefa nifanatsafa tamin’Andriandranolava . Izay no niavian’ilay fitenenana hoe : “ Fanjakan’i Baroa ” ; samy maka ho azy . Inoako fa mbola miriaria any ny taranany ary mbola manao ny fanaon’io Baroa io , amin’ny endriny hafa . Milevina ao Andraomara avaratry Ambohimalaza izy . Andao isika hiverina amin’ny tantara . Tsy nisy olon’ny fahagola ; 600 na 700 , akory , izay nofehezin’ireo andriana ireo ; tamin’ny vohitra na tanàna iray ; ka nanaiky azy ho lehibe mpitarika . Ny andriana izany teto no nasolo ny zokiolona . Andrianizinizina no nosafidiana ho tanjona amin’ity tantara ity : 1200 - 1300 . Ny taranany no nifandimby nitondra fahefana , izay mbola omena antsika ao aoriana kely . Tsy mba nanan-kery ho an’ny hafa ny fahefany ; fa teo aminy ihany . Nahatratra tany amin’ny 800.000 - 970.000 , tany ho any ireo olon’ny fahagola ireo izay nanerana ny Nosy . Mampieritreritra eto na tena Fanjakana no notadiavin’ireo olon’ny fahagola naningana ireo na ny Fianakaviany ? Eo amin’ny fisandratana no tiako hambara . Nikisaka niandalana izy ireo ary nahenika ny Nosy manontolo mihintsy . Samy nanana ny fahaleovantenany ; saingy naneho ahiahy ny amin’izay mety hisian’ny fanafihana . Vokatr’izany dia tao Fanongavana , na ihany koa tao Angavo , na io tany Ambohitsitakatra , na tany Anerinerina ; no nanorenan’izy ireo ny fanjakany . Efa nahitana fivoarana kosa ny fototra naha olona azy ireo , tsy tahaka ny teo aloha . Hita taratra ihany indraindray ny fanehoana ny hafa ho fahavalo ka nahatonga fifandrafiana tsy indraindray ihany anefa . Mbola nifanambady anaka ihany koa ireo vondron’olon’ny fahagola tsy mitovy fihaviana , tsy mbola nisy olana teo amin’ny fihavanana , na izany aza nitandrina mafy izy ireo ; ka nahatonga ny olona tsirairay hanao fati-dra , tahotra ny amin’izay ho mety fivadihana tampoka . Azo ambara ho nirindra tsara ihany anefa ny fifampitondrana , ka tsy nahafoana ny zoky alohan’ny zandry ; na dia teo aza ny lamina vaovao hitan’ireo efa nazava saina sy natsilo teo amin’ny fahefana . Andeha omena antsika ny tetiaram-pahefana , miainga avy an’Andrianizinizina . Ny Andriana Toerana nanjakany Andrianizinizina Fanongoavana Andrianalinalina Fanongoavana Andrianamponga Fanongoavana Andrianamboniravina Ambatondrakorikia Andriandranovola Ambatondrakorikia Rafandrandava Ampandrana Ramasindohafandrafana Ampandrana Rafandrampohy Ampandrana Rafandramanenitra Ambohimasimbola Rangitamanjakatrimovavy Merimanjaka Rafohy Alasora Andriamanelo Alasora Ralambo Ambohitrabiby Andrianjaka Antananarivo Andriatsitakatrandriana Antananarivo Andriantsimitoaminandriandehibe Antananarivo Andriamasinavalona Antananarivo Andrianjakanavalomandimby Antananarivo Andrianavalonibemihisatra Antananarivo Andriambalohery Antananarivo Andrianamboatsimarofy Antananarivo Ramaromanompo Fenoarivo Andriantsimitoviaminandriana Ambohimanga Andriambelomasina Ambohimanga Andrianjafy Ambohimanga Andriatomponimerina Ambohidratrimo Andriantrimonibemihisatra Ambohidratrimo Andriamananimerina Ambohidratrimo Andriambelo Ambohidratrimo Ramananandrianjaka Ambohidratrimo Rabehety Ambohidratrimo Andrianavalomanotrinimerina Ambohidratrimo Andriambonimena Alasora Andriamohara Alasora Andrianavalonjafy Alasora Andrianampoinimerina Ambohimanga / Antananarivo Radamalahimanjaka Madagasikara Ranavalomanjaka Voalohany Madagasikara Radama Faharoa Madagasikara Rasoherimanjaka Madagasikara Ranavalomanjaka Faharoa Madagasikara Ranavalomanjaka Fahatelo Madagasikara Eto kosa dia miangavy anao aho mba haharitra kely , raha tianao hazava ny tantara . Io tabilao io , no fototry ny fanadihadihana ; miainga eo ny fikarohana sy ny tantara (51) . Ampifandraiso amin’ity fikarohako ity izany : * Ny taon-jato faha 13, ny taona 1220 - 1320 , dia Andrianerinerina : no nanjaka teto Imerina voalohany. Nodimbiasan’Andriananjavona : 1320 - 1350 izay nifidy an’Angavo Atsinanana, hanjakana. Andrianamponga : 1350 - 1380, indray avy eo no nanjaka ka nanorina ny fanjakany tao Fanongoavana, izay nodimbiasan’Andrianamboniravina: 1380 - 1400, izay nanjaka tao Ambatondrakoriaka. Andriampandrana : 1400 - 1420 , kosa no nandimby azy ka nifidy ny tao Ampandrana atsimo , hanjakany, ary nifandimby nitondra sy nanjaka teto Imerina fehizay ny taranany: Ramasindohafandrana : 1440 - 1450 Rafandramanenitra : 1480 - 1500, izay naka vady an-dRafaramahery, ka niterahany an- dRafohy : 1500 - 1520 , ary Rangita : 1520 - 1540, nanambady an-dRatsiseranina no namarana ny fanjakana tao Ampandrana , satria izy dia nanorina ny fanjakany tao Imerimanjaka. Ny taranak’i Andrianamboniravina sy Andriampandrana no niandohan’Imerina izay nandova fanjakana, fa ireo taranaka izay nanoa kosa dia lasa namonjy an’i Bezanozano sy tany Maroantsetra; dia ny taranak’i Andrianoranorana sy Andriandranando . Nizara vohitra 4 lehibe ny teto am-povoan-tany ary samy nanana ny Mpanjakany sy ny rafi- panjakany izay nifampifehezany ny fanjakana tsirairay avy. Ny tao Imerimanjaka ( Ampandrana ) : Rafohy sy Rangita , no vy nahitana ny Fanjakana arindra teto Imerina, Izay Fanjakana nifandovana. Roa ny zanaky Rangita nandova Fanjakana, ka ny zokiny Andriamanelo , aloha no tompony ka nampanjakaina, vao ny zandriny Andriamananintany. Saingy maty izy io, fa ny zanany Andrianamboninolona dia nanjaka teny Analamanitra fahiny na Ambohitrombihavana amin’izao fotoana izao , ka tsara ny manamarika an’izany, izay marihako etoana fa tsy moramora ny nahitana ny tantara . Ny tao Alasora : Maitsoanala, zanakavavin’ny Mpanjakan’Ambohidrabiby, no vadiny. Izy no nampiray ny Fanjakan’Ambohidrabiby amin’ny Alasora ho Fanjakana iray. Naharitra 35 taona no nanjakany. [ Indro misy fanampin’ny tantara , izay tsy tokony ho adinoina ho an’ny taranaka . Hita sy voatahiry tao amin’ny tranokalan’ny Minisiteran’ny Kolontsaina ] Lasa mpanjakan’Alasora i Andriamanelo, zana-dRangitamanjakatrimovavy, rehefa naharesy sy nandroaka ireo vazimba tao. Fomba nentiny nampitombo sy nanitatra ny fanjakany avokoa na ny ady nampiasa hery na ny fitadiavana fihavanana amin’ny alalan’ny fanambadiana ifanarahana. Noho izany indrindra dia nanatona an-dRabiby tao Ambohidrabiby i Andriamanelo mba hangataka an- dRamaitsoanala zanakavavin-dRabiby ho vadiny. Neken-dRabiby izany na dia napetrak’Andriamanelo ho fepetra aza ny handraisany izy sy ny taranany ny fanjakan’Ambohidrabiby , ao aorian-dRabiby. Tamin’ny andron’Andriamanelo no nahitana voalohany ny fandrendrehana sy ny fanefena ny vy , ary tany Amoronkay, atsimon’i Mantasoa, no nangalana izany vy izany. Nampiasain’ny olona tao Ambohidrabiby , ho fanamboarana taozavatra ny vy: angady nihadiana ireo hady natao manda, fisisika namakiana ny vaingam-bato nanaovana : fasana ; lefona; rojo namatorana olo-meloka ; fantsika namantsihana lohan-trano; hidin-trano savily; karetsaka; fanalahidy…; fitsindrona nitonoan-kena sy kitoza, … Niteraka an-dRalambo ihany Andriamanelo sy Ramaitsoanala nony farany na dia nanana olana tamin’ny fiterahana aza. Teraka ny voalohan’ny volana Alahamady tao Ambohibaoladina, tsy lavitra an’Ambohimalaza, izy ary lasa mpanjaka , nandimby an-dRabiby raibeny , tamin’ny taona 1575. Nataon-dRalambo ho renivohitr’Imerina i Ambohidrabiby mba hahamafy orina ny fanjakany. Bibidia ny jamoka tamin’izany. Novain-dRalambo ho omby ny anarany ary nampianariny hamolaka io biby io sy hihinana ny henany ny olona. Ny tao Ambohidrabiby : Zanak’Andriamanelo, nisolo an-drainy ary nanjaka tao 35 taona ihany koa. Mpanjaka hendry sy lalin-tsaina izy ary namerina indray an’Ambohitrabiby ho renivohitry ny Fanjakany izay nafindran-drainy tany Alasora. Izy ihany koa no nampihinana ny henan’ny Jamoka na Omby voalohany ny vahoakany. Nahery ny Fanjakany noho ny fananany basy. Izy no vy nahitana ny firavoravom-panjakana natao hoe : « Fandroana » na ny « Asaramanitra » ; azo lazaina fa niadana ihany ny fitondrany satria tsy mbola nisy fikomiana firy sy fifandrombaham-pahefana tamin’izany . Fa tena fifandimbiasam-panjakana . Nanambady an-dRabehavina izay zanak’anabavin-dRabiby izay nanana anjara fanapahana tao Kaloy tamin’Andriamamilazabe , andriana avy eny Vodivato Ralambo. Niteraka mianadahy dia : Ravaomasina sy Andriatompokoindrindra izy ireo. Noho ny tenin’Andriamanelo dia niroso tamin’ny fanambadiana an-dRatsitohina izay zanak’anabavin-drainy ihany koa izy avy eo ary dia niteraka an’Andrianjaka. Ralambo ihany no nandamina ny fitoeran’ny olona tao an-tanàna. Naoriny teo an-tampon-kavoana , ampovoan-tanàna avy any atsinanan’ny kianja fikabariana ny lapa nitoerany. Napetrany manodidina azy kosa ireo havany sy ireo olom-panjakana ary ny sasantsasany amin’ny vahoaka. Ny Zanakarivo na zana-bahoaka , izay mpanompon’ny mpanjaka rahateo no nataony teny amin’ny ilany atsinanana. Ireo mpanolotsain’ny mpanjaka na ny Zanadonia , taranaka fahafito, taranak’Andriandoria no tamin’ny ilany avaratra. Ny Ambodifahitra no tamin’ny tapany atsimo. Nofaritan-dRalambo ho fankalazana ny fetin’ny fandroana ny volana alahamady. Fanazavana ny volana alahamady hita eny Ambohidrabiby : Nitondra fiovana teny Ambohidrabiby ny mpanjaka Andrianampoinimerina tamin’ny fotoana nanjakany teto Imerina. Napetrany teny Rasendrasoa vadiny voalohany, izay milevina ao amin’ilay fasana eo akaikin’ny fasan-dRabiby ilay razan’andriana . Nanjary feno trano ny tanàna. Niorina koa ny tsena teny an-toerana. Nataon’Andrianampoinimerina hoe : « Hasin’Imerina » i Ambohidrabiby tamin’ny taona 1797 noho izy naneho fiombonana sy fitambarana. Nisafidy ny ho hovalahy kosa ny olona teny fa tsy nety natao andriana. Ny tao Analamanga : No nandova Fanjakana, te hametraka an’Analamanga ho renivohi-panjakany ka nanafika ny Vazimba tao. Resiny noho izy nampiasa vy manidina ( Lefona ) Raikitra ny ady. Resy ity zokiny, ary ny mpandresy kosa niova ho Andriamasinavalona : 1675 - 1710 , Mpanjaka hendry sy lalin-tsaina noho ny fananany an’ilay mpanolotsaina avo lenta sy hendry ary lalin-tsaina , dia tsy iza fa Rainandriamampandry. Tia zanaka loatra ka nizara efatra ny Fanjakany tamin’ireo zanany na dia efa nanarin-dRainandriamampandry aza. Fahoriana ho an’ny vahoaka izany noho ny ady an-trano niseho voalohany teto amin’ny tantaran’ity Nosy mamitsika ity . Nanjaka 35 taona izy. ( Fanamarihana: Noheverina ho teo anelanelan’ny taona : 1630 - 1660 no nanjakan’Andriantsitakatrandriana izay nandimby an’ Andrianjaka rainy. Ary ny mpandova azy Andriantsimitoviaminandriandehibe dia azo heverina ho teo anelanelan’ny taona : 1667 - 1675. Andrianjakanavalona , izay zandrin’Andriatsitakatrandriana dia nanjaka tamin’ny taona : 1675 - 1710. Izy ilay niova ho Andriamasinavalona. Azo heverina fa efa nisy Fanjakana roa izay nisian’ny ady an-trano teo amin’ireo Mpanjaka mpihavana ireo.[7].) Mbola nizara Vohitra 4 lehibe , ny teto Imerina, saingy Ambohimanga sy Antananarivo , no nisolo an’Imerikanjaka sy Analamanga , satria voafafa tao anatin’ny tantara saingy tsy hay kosehina kosa . Ambohimanga : Vohitra iray natao hoe : Ambohitrakanga , izy io fahizay satria feno hadivory sy rakotra ala ary zava-maniry dia tao ary nisy vorona mitovy amin’ny akoho atao hoe akanga , ary tena feno azy tao fahizay . Avo dia avo ny toerana ary nahatsinjovana ny vohitr’Analamanga fahiny sy ny lemaky Betsimitatatra ary Laniera . Ireto Mpanjaka ireto izay nanomboka hatreo amin’ny nizaran’Andriamasinavalona ny taona 1710 ny Fanjakana , tamin’ireto zanany 4 sy noho Ambohimanga nipoiran’ilay Mpanjaka tokana teto amin’ity Nosy ity dia novinavinaina ho teo anelanelan’ny taona 1710 - 1787 , ny nanjakan’izy ireo teto Ambohimanga. Andriatsimitoviaminandriandrazaka, izay zanaky Andriamasinavalona ary no nanjaka tao Ambohimanga , rehefa nozarain’ity rainy ny Fanjakana. Ankeviny ho teo anelanelan’ny taona 1710 - 1730 , no nanjakany, ary naharitra 20 taona izany. Azo heverina fa nanjaka tao anaty fahasarotana izy noho ny ady an-trano nihanahery vaika tokoa. Nondimbiasan’Andriambelomasina izay zafikelin’Andriamasinavalona, anefa Andriatsimitoviaminandriandrazaka , izay heverina ho teo anelanelan’ny taona 1730 - 1770 , no nanjakany ary naharitra 40 taona teo ho eo no naharetany. Andrianjafinandriamanitra , no nandimby ity rainy izay teo anelanelan’ny taona 1770 - 1787 izay nanjaka 17 taona. Antananarivo : Andrianjakanavalomandimby Teo anelanelan’ny taona 1710 - 1787 , no nifidy an’Antananarivo , rehefa nozarain’Andriamasinavalona rainy ny Fanjakana. Tsy adino akory Andrianamboatsimarofy , izay tsy fantatra marina ny fotoana nanjakany noho ny fanjavonan’ny tahirin-kevitra momba azy . Fa nalefa sesitany na maty tany Fenoarivo izy ary nondimbiasan’Andrianampoinimerina izy avy eo. Ambohidratrimo : Andriandambonavalona , no nanjaka tao. 1710 -… Andriamananimerina nondimbiasan’Andrianavalonimerina Tsy azo adinoina anefa ireo Fanjakana nadinika nahazo aina tao anatin’izany ady an-trano izany. Izay nanerana ny tanàna teto Imerina : Andrianatoara : 1720 - 1735 , izay nanjaka tao Alasora Ratsimanjaka : 1712 - 1740 , nanjaka tao Anosiarivo Andriampalimanana : 1747 - 1759, nanjaka tao Tsirangaina Ramaromanompo : 1763 - 1780, nanjaka tao Fenoarivo Andrianamboniravina : 1750 - 1770 sy Andriandranovola : 1770 - 1785 , nanjaka tao Ambohimasimbola Andrianamponga: 1769 - 1785, nanjaka tao Fanongoavana Ny tao Arivonimamo : ( Imamo ) Andriambahoakafovoanitany nanjaka tao Manazary, izay nondimbiasan’Andriatsiahofa Andriamanjakatokana , izay hafa reny kosa no nanjaka tao Ambohinihaza Andriantomponimamo , no nanjaka tao Ambohitromby. ( noheverina ho teo anelanelan’ny taona 1710 - 1787 , ihany koa no nisian’ny Fanjakana nadinika tany Imamo. Nanafika an’ireo Fanjakana nadinika sy nitsitokotoko ireo Fanjakana 4 lehibe. Izay rainy sy zanany ary rahalahiny. Ka te hamondrona azy ireo ho Fanjakana tokana sy lehibe teto Imerina. Naharitra teo anelanelan’ny taona 1540 - 1787 izany hoe : 247 taona ny ady an-trano teto an’ivon’ity Nosy ity. [ Ity misy fanampin’ny tantara , toa mampisalasala raha ny vokatry ny fanadihadihana, kanefa mamantsika tanteraka sy mampitombina ny tantaram-pirenena ihany . Izy ity dia nokarohiko tao amin’ny Tantaran’andriana , izay nosoratan’i Pere Callet , amin’ny maha Vazaha Frantsay azy dia atahorana ihany ny mety ho tsy fifanojoan’ny lova-tsofina sy ny soratra ary ny mety ho naha samy hafa ny fanambarana tamin’ny tanàna roa na telo na maromaro ] Andriana tao Fondanitra ao Mamo : Andriantomponifonesandahilehibe Andriantomponatsimondrano Andrianatodimangampivovo Andriamarotafika Razakanatrimo , izy dia zafin’Andrianatodimangampivovo , izay nanjaka tao Ambohitrambo na ( Imamo ) Ankehitriny . Raha jerena tsy mitongilana anefa ny tantara , dia : Io Razakatrimo io kosa no vadin - dRamasidrazana, zanak’anabavin’Andrianampoinimerina ; izay niteraka an-dRamoma ka nanjary Ranavalona Faharoa taty aoriana . Andrianamboarinandriamanitra, dia zana-drahalahin’Andriampoetsakarivo , izay tokony handova fanjakana . Andriamarobasy dia mpanjaka tao Sahavondronina ny taona 1758 ( Ambohitrambo sy Arivonimamo Atsinanana ) Andriandailoza , nanjaka tao Volafotsy ny taona 1758 Ravaomanjaka ihany koa , izay zanakavavin-dRamaromanompo , dia lasa vadin’Andrianampoinimerina . Andriampoetsakarivo , nanjaka tao Ambohibeloma ( Miarinarivo ) ny taona 1758 [ Ity ambara sy tantaraina eto kosa , dia fanampim-panazavana mba hampahazava ny tantara teo aloha : Hatreto dia ny lafiny ara-tantara sy ara-kolontsaina no nahafantarantsika an’Ambohidrabiby toy ny hoe teo Ambohidrabiby no nankalazaina voalohany taty Imerina ny Fandroana sy Alahamady, teo Ambohidrabiby no nipoitra ny anarana hoe « omby », « Imerina » ary « Ambaniandro » ; eo Ambohidrabiby no tenomina ny lamban’ny mpanjaka merina nifandimby ary Ambohidrabiby dia iray amin’ireo tendrombohitra 12 masina eto Imerina. Anio kosa dia hamantatra an’Ambohidrabiby amin’ny lafiny arkeolojika isika satria ; dia manana ny mampiavaka azy eto Imerina ny rovan’Ambohidrabiby raha ny lafiny arkeolojia. Marihina fa ny rovan’Ambohidrabiby dia faritra iray ao antampon’ny vohitr’Ambohidrabiby, faritra izay nisy ny lapan’ny mpanjaka, ny kianja fikabarian’ny mpanjaka ary ny fasan’ny mpanjaka mianakavy nanomboka ny taonjato faha-16 aty aorian’i Jesoa Kristy Tompo . Indreto ny santionany mampiavaka ny rovan’Ambohidrabiby raha ny lafiny arkeolojika : Ny Rovan’Ambohidrabiby izay miendrika efa-joro , dia misy fidirana na fivoahana miisa 4 ka misy fidirana iray avy amin’ny ilany avaratry ny rova, amin’ny ilany atsimon’ny rova, amin’ny ilany atsinanan’ny rova ary amin’ny ilany andrefan’ny rova. Ny mpanjaka Rabiby tamin’ny taonjato faha-16 , taty aorian’i Jesoa Kristy Tompo, no nampanao ireo fidirana na fivoahana miisa 4 ; amin’ny rovan’Ambohidrabiby, satria nirariany mba hivelatra amin’ny vazantany 4 eto Madagasikara ny fanjakana naoriny. Toa tanteraka izany firarian’i mpanjaka Rabiby izany satria tamin’ny mpanjaka Ralambo ( 1575-1610 ) dia lasa renivohitra ny “ Fanjakan’andriana merina ” ny vohitr’Ambohidrabiby ary Ambohidrabiby no renivohitra “ voalohany ” ny fanjakàn’andriana merina, fa talohan’izany dia “ fanjakana vazimba ” no nisy taty anivon’ny riaka. Ary tamin’ny taonjato faha-19, izany fanjakàn’andriana merina izany dia niofo ho lasa “ Fanjakan’i Madagasikara ” rehefa nanoa ny “ Fanjak’andriana merina ” ny fanjakàna tamin’ny faritra sy foko maro teto Madagasikara. Heverina koa anefa fa natokana hidiran’ny karazan’olona araka ny andraikiny sy ny satany ary ny fombafomba sy fady ny tsirairay amin’ireo vavahady miisa 4 tamin’ny rovan’Ambohidrabiby ireo. Ohatra amin’izany, ny vavahady amin’ny ilany avaratra amin’ny rovan’Ambohidrabiby dia natokana hidirana sy hivoahan’ny Mpanjaka mianakavy sy ireo vahiny manankaja mitsidika ny Mpanjaka. Ohatra amin’izany koa, mety ho amin’ny vavahady amin’ny lafiny atsimo sy lafiny andrefan’ny rova no havoaka ireo heverina fa zavatra maloto avy tao anaty rova. Tsy toy izany kosa ny zava-misy amin’ireo rova amin’ny tendrombohitra 12 masina hafa eto Imerina satria dia saika fidirara na fivoahana miisa 2 ihany no idirana sy ivoahana ao amin’ireo rova. Ohatra, hoan’ny Rovan’Ambohimanga , dia miisa 2 , ny fidirana na Fivoahana na vavahady ao anaty rova ka ny iray fefy avaratra ny rova ary ny iray eo atsimo andrefan’ny Rova. Hoan’ny Rovan’Antananarivo dia miisa 2 ny vavahady ka ny iray eo avaratry ny rova ary ny iray ao atsimon’ny Rova. Tsy mitovy ny haavon’ny faritra ao anaty anaty rovan’Ambohidrabiby. Ahitàna an-tanatohatra miisa 3 ny faritra ao anaty rovan’Ambohidrabiby. Ny ilany avaratra manontolo manamorina ny lalana, ny ilany atsinanana manontolo, ny ilany atsimo atsinanana, ary ny ilany avaratra andrefana ao anaty rovan’Ambohidrabiby izay misy ny mozea ankehitrio sy ny fasan’i Rasendrasoa vadin’Andrianampoinimerina ; dia avo 1 metara , mihoatra amin’ny toerana misy ny fasan’ny mpanjaka Rabiby sy ny mpanjaka Ralambo ary ny kianja fikabariana sady famonoan’omby ao anaty rovan’Ambohidrabiby. Ny ilany andrefana indrindra ao anaty rovan’Ambohidrabiby dia iva mitaha amin’ny faritra misy ny fasan’ny mpanjaka Rabiby sy mpanjaka Ralambo ary ny kianja. Marihina anefa fa tamin’ny taonjato faha -16 nanjakany Rabiby sy Ralambo dia heverina fa mitovy haavo ny faritra misy ny fasan’i Rabiby sy Ralambo, ny faritra misy ny kianja fikabarian’ny mpanjaka ary ny faritra nisy ny lapa , izay misy ny mozea ankehitrio , izany hoe ny haavon’ny faritra tao anaty rovan’Ambohidrabiby dia tsy mihoatra ny haavon’ny kianja manoloana ny fasana misy ny mpanjaka Rabiby sy ny mpanjaka Ralambo izay ao anaty rovan’Ambohidrabiby. Ny faritra andrefan’ny fasana misy an-dRabiby sy Ralambo kosa , dia mety ho efa iva mitaha amin’ny faritra misy ireo fasana ireo. Azo eritreretina ihany koa fa tamin’ny vanim-potoana nampitovy haavo ny faritra nisy ny lapa sy nisy ny fasan’ny mpanjaka tao anaty rovan’Ambohidrabiby dia mety ho efajoro ny endriky ny rovan’Ambohidrabiby tamin’izany . Tamin’ny taonjato faha- 18 , tamin’Andrianavalonimerina nanjaka teo Ambohidrabiby na tamin’Andrianampoinimerina : ( 1787-1810 ) no nampiakarina ho 1 metatra , ny haavon’ny lafiny avaratra, atsinanana, atsimo ary avaratra andrefana ao anaty rovan’Ambohidrabiby araka ny ahitatsika azy, izay nisy ny lapa sy ny fasan’ny vadiben’Andrianampoinimerina. Ny ilany andrefana indrindra ao anaty rovan’Ambohidrabiby no tsy nahitàna fampiakarana haavo. Izany fampiakarana 1metatra , ny haavon’ny faritra sasany tao anaty rovan’Ambohidrabiby izany dia nitarika ny fanaovana rarivato ny sisin’ny kianja fikabarian’ny mpanjaka eo afovoan’ny rovan’Ambohidrabiby sy ny fanasiana rarivato manodidina ny faritra ivelan’ny rovan’Ambohidrabiby amin’ny sisiny avaratra, ny sisiny atsinanana ary ny sisiny atsimo. Tsy mba nahitàna rarivato kosa ny sisiny andrefan’ny rovan’Ambohidrabiby. Mety ho nahatsikarika fiovana ihany koa isika ankehitriny ,raha ny faritry ny rovan’Ambohidrabiby no jerena , tsy lasa efajoro intsony, satria ny faritra eo andrefan’ny fasan-dRasendrasoa dia tsy tafiditra anatin’ny rarivato mamefy ny sisin’ny rova. Azo heverina fa finiavan’ny mpanjaka taty aoriana hampisongadina ny maha ambony laharana azy mitaha amin’ireo mpanjaka tranainy teo no anton’izany fampiakarana haavo ny toerana misy ny lapa tao anaty rovan’Ambohidrabiby izany. Na dia izany aza, notazomina ho faritra iva indrindra ao anaty rovan’Ambohidrabiby ny ilany andrefan’ny fasana nitoera nametraha an- dRabiby sy Ralambo, izay toa maneho sy manamarina fa ny andrefana no toerana fanariana ny maloto , na ireo karazana fako na ny rano maloto ihany koa , teo amin’ny Ntaolo fahizay malagasy. Eo amin’ny lafiny avaratra atsinanana ao anaty rovan’Ambohidrabiby no nisy ny lapan’ny Mpanjaka Rabiby sy mpanjaka Ralambo. Izany dia ahitàna taratra fa nanome lanja manokana ny zoro avaratra atsinanana izay antsoina ihany koa hoe : « zoro firarazana » na « zoro alahamady » ny mpanjaka Rabiby sy mpanjaka Ralambo. Ny “ alahamady ” dia heverina ho “ anaram-bitana ” no nanaovan’i Rabiby azy tany am-boalohany vao lasa anaran’ny volana voalohany ; amin’ny volana 12 , ao anatin’ny taona. Marihina fa teo amin’ny fandaminana ny toerana iray dia noheverin’ny Ntaolo Merina ho toeran’ny fahefana ara-politika sy ny haja ny lafiny avaratra ary toeran’ny fahamasinana ny lafiny atsinanana. Koa ny zoro avaratra atsinanana izany no fihaonan’ny fahefana politika sy ny fahamasinana . Ao anaty rovan’Ambohidrabiby , any andrefan’ny lapan’i mpanjaka Rabiby sy ny mpanjaka Ralambo no misy ny fasan’i mpanjaka Rabiby sy ny fasan’i mpanjaka Ralambo , ary ny fasan’andriana. Izany hoe tao anaty rovan’Ambohidrabiby dia ny velona no nipetraka amin’ny lafiny atsinanana ary ny efa nodimandry kosa no napetraka amin’ny lafiny andrefana. Mifanohitra amin’izany kosa anefa no nisy teo amin’ireo tendrombohitra roambinifolo masina aty Imerina niorina tato aorian’Ambohidrabiby toy ny rovan’Antananarivo, rovan’Ambohimanga, rovan’Ilafy, rovan’Antsahadinta satria , dia eo antsinanan’ny lapan’ny mpanjaka na eo avaratry ny lapan’ny mpanjaka no misy ny fasan’ny mpanjaka. Amin’ireo rova amin’ny tendrombohitra 12 eto Imerina , dia manaraka fenitra ny filaharan’ny fasan’ny mpanjaka sy fasan’andriana izay mitandahatra avaratra-atsimo, koa ny fasan’ny mpanjaka tranainy indrindra na ny fasan’ny andriana ambany laharana indrindra no amin’ny atsimo indrindra ary ny fasan’ny mpanjaka farany , na ny fasan’ny andriana ambony laharana no amin’ny avaratra indrindra. Hoan’ireo fasana mitandahatra avaratra-atsimo ao anaty rovan’Ambohidrabiby kosa dia misy mampiavaka azy manokana satria dia ny fasan’i mpanjaka Ralambo sy Ratsitohinamanjaka vadiny ary ny zanany vavy iray , anisan’izany tena tsy foiny , no amin’ny lafiny atsimo indrindra, tsy izany ihany , fa eo avaratr’izany ny fasan’Andriandambotanimanjaka sy Ramaintsoakanjo sy Rabiby , Mety ho hitatsika ary amin’ny avaratra indrindra ny fasan’i Rasendrasoa vadiben’Andrianampoinimerina. Ralambo anefa nanjaka tao aorian’i Rabiby raibeny. Azo heverina fa noho ny antony manokana dia tsy natao teo avaratry ny fasan- dRabiby ny fasan- dRalambo fa natao teo atsimo. Toa manamarina fa araka ny anarantany, Ambohidrabiby dia vohitry Rabiby fa tsy vohitry Ralambo. Ny rovan’Ambohidrabiby dia nahatahiry ny endriky ny fasana taty Imerina nanomboka tamin’ny taonjato faha - 16 ka hatramin’ny taonjato faha -19. Hita ao ny fasan’i Mpanjaka Rabiby sy Ramaitsoakanjo vadiny ary Andriandambotanimanjaka zafikeliny niorina tamin’ny taonjato faha -16, aty aorian’i Jesosy Kristy Tompo , fasana iva tsy misy an-tanatohatra ary voadidina rarivato madinika tsy voapaika. Mifanila fasana na mety ho iray fasana mihintsy i Rabiby sy Ramaintsoakanjo vadiny ary Andriandambotanimanjaka zafikeliny. Ireo fasan’ny Mpanjaka Ralambo sy Ratsitohinamanjaka vadiny ary ny fasan’ny zanany vavy, fasana niorina tamin’ny taonjato faha -17 kosa , raha am-pitahaina amin’i fasan - dRabiby , dia avo, ahitana an-tanatohatra iray , voarary vato lehibe tsy voapaika ny manodidina. Mifanila fasana na mety ho iray fasana mihintsy ny Mpanjaka Ralambo sy Ratsitohinamanjaka vadiny ary ny zanany . Hita ao koa ny fasan’i Rasendrasoa vadiben’i Mpanjaka Andrianampoinimerina sy ireo taranany, niorina tamin’ny taonjato faha -19 , aty aorian’i Jesosy kristy, fasana nitambarambe, avo mitaha amin’ny fasan-dRabiby sy Ralambo, ahitana an-tanatohatra roa , voadidina rarivato lehibe voapaika ary misy tranomasina. Tsy fahita amin’ireo rova amin’ny tendrombohitra 12 masina hafa izany fiarahan’ny fasan’ny taonjato faha -16 sy faha -17 ary faha -19 , amin’ny toerana iray izany. Ny fihadiana lavaka natao tao anaty rovan’Ambohidrabiby dia nahitàna vokatra maro. Santionan’izany ny fihadiana lavaka teo amin’ny kianja famonoana omby manoloana ny fasan-dRabiby dia nampiseho masoandro ireo akorandriaka maro izay karazan’akorandriaka nampiasaina ho vola fifanakalozana ara-barotra taty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana nanomboka ny taonjato faha -5 , talohan’i Jesosy Krisy ka hatramin’ny taonjato faha -13 , taorian’i Jesosy Kristy. Midika fa efa nifandray ara-barotra tamin’ny ranomasimbe indiana ireo vazimba ireo saingy tsy mbola nampiasa ny vola vy. Azo heverina fa ireo manendy , na vazimba mponina teo Ambohidrabiby talohan’i nahatongavan-dRabiby no nampiasa izany akorandriaka izany. Manarak’izany, teo amin’ny toerana voalaza fa nisy ny lapany Rabiby sy Ralambo amin’ny ilany avaratra atsinanana ao anaty rovan’Ambohidrabiby, rehefa nohadiana 1m70 , dia nahitàna taolan’ondry sy taolan’omby maro ary lavenona izay porofo fa nahandro sy nihinana ondry ny Mpanjaka Rabiby sy ny ankohonany ary nihinana omby ny Mpanjaka Ralambo sy ny ankohonany tao anaty rovan’Ambohidrabiby. Farany, nahitàna vakimbilani-tany voaloko manjarano misy haingony na tsy misy haingony maro ihany koa ny fihadiana lavaka 1m70, tamin’ny toerana voalaza fa nisy ny lapan’ny mpanjaka Rabiby sy Ralambo tao anaty rovan’Ambohidrabiby. Fehiny, ireo ohatra vitsy notanisaina etsy ambony dia ahitàna fa miavaka eto Imerina ny rovan’Ambohidrabiby raha ny lafiny arkeolojika. Mbola voatazona sy voatahiry mandraka ankehitrio ny fandaminana sy ny fanorenana tao anaty rovan’Ambohidrabiby tamin’ny andron’ny mpanjaka Rabiby sy ny mpanjaka Ralambo, fandaminana izay manana antony ara-pinoana sy araka ny hasina sy araka ny fanandroana ary araka ny fijery ny tontolo , fanao tamin’ny taon-jato faha -16 , taty Imerina. Satria Ambohidrabiby no renivohitra voalohan’ny fanjakan’andriana merina tamin’ny mpanjaka Ralambo ( 1575-1610 ). Hita anefa fa tsy nitovy tamin’ireo lamina ara-panorenana nisy tao androvan’Ambohidrabiby ny fandaminana ny fanorenana tao anatin’ireo rova niorina taty Imerina tao aorian’i mpanjaka Rabiby sy mpanjaka Ralambo. Fasan’Andriamanelo etsy Alasora Fasan-dRalambo etsy Ambohidrabiby Ilay nampihinana ny Jamoka ny olona tao Ambohidrabiby Miteny ho azy ny sary nindramina sy nalaina Ambohimanga na ny vavahadiny Ny andevo namidy tamin’izany Tsy namela dindo ireo olon’ny fahagola sy izay nanodidina azy rehetra . Tsy hay vakiana ihany ireo soratra teny amin’ny harambato na lava-bato nisy azy ireo . Nampananosarotra ny fikarohana izany . Ireny fasana lazaina fa fasam-bazimba aza moa tsy sahy nanaovana fikarohana . D . Ny Vanim-potoanan’ny andalam-piraisana : Nihamaro ny mponina , tsy hita intsony fa zary nihalefy ; ilay tena fihavanana Nahazatra sy nampiharina teto anivon’ny riaka . Raha 390.000 ; ny mponina nahenika ny Nosy tamin’izany ; dia efa nahatratra teo amin’ny 700.000 - 1.000.000 ; tany ho any kosa izany , teto amin’ity vanim-potoan’ny andalam-piraisana ity . Noraisaina teo amin’ny taona 1500 - 1895 . Izany hoe ; ny taon-jato faha 17 - 19 ; izany . Andao aloha ho jerena ireo antoko telo lehibe teto amin’ny fanjakana Malagasy ireo dia : D1 = Ny andriana Tsara ny hiresahana azy ity , noho izy nanana anjara toerana lehibe teto amin’ny Firenena Malagasy . Ny teny hoe andriana dia manana heviny roa: ny voalohany dia hoe Andry, izay manana ny lanjany tokoa teo amin'ny Olon’ny fahagola, satria ny tranon'izy ireo dia misy andry iray lehibe eo afovoany izay ianteheran'ny trano iray manontolo. Ny andriana ary dia ilazana olona azo ianteheran'ny maro. Amin'ny heviny faharoa, ny hoe andriana dia ilazana koa toerana azo atoriana. Zava-dehibe teo amin'ny Ntaolo tokoa fahizay ny fandriam-pahalemana ka na ny fototeny aza dia andry. Ilazana koa izany fa ny andriana dia olona azo ianteherana amin'ny fandriam-pahalemana. Marihina anefa fa ny teny hoe andriana dia saika fahita amin'ny anaran'ny olona rehetra na fianakavia-mpanjaka, na hova na mpanompo. Izany hoe tsy teny natokana hampiasain'olom-bitsy ny hoe andriana fa azon'ny rehetra ampiasaina tsara. { Andriana arivo Fanomezantsoa Raphael }. Tany am-boalohany, ny teny hoe andriana dia ilazana ireo olona ianteherana, koa ny raim-pianakaviana rehetra na lehiben'ny fianakaviana dia andriana avokoa. Io ilay vanim-potoana voatazon'ny fitenenana hoe : " samy andrian-ko azy ” . Tato aoriana anefa, rehefa nihamaro ny olona ka nilaina ny fandaminana ny fiaraha - monina dia nifamory ny olona ka nifidy andriana iraisana. Io andriana iraisana io dia izay be taona indrindra teo amin'ny fiaraha-monina noho izy noheverina ho tompon'ny fahendrena. Mbola voatazon'ny angano izany, ka hoy izy manao hoe : vorona nifidy andriana . Rehefa maty ary ny andriana voafidy dia mifidy andriana hafa indray. Dia toy izay hatrany. Mbola maro ireo foko eto Madagasikara mandraka ankehitriny no manaraka io fomba fifidianana io. Tato aoriana anefa, natahorana sy nohajaina ireny andriana voafidy ireny, ary nisy tamin'izy ireny no namorona fomba fijery milaza fa ny fahefany dia avy amin'ny zanahary ary ny andriana no itoeran'ny hasina ka tsy nanaiky ny andriana fidina ivelan'ny fianakaviany fa tsy maintsy amin'ny taranany ihany no hipoiran'ireo andriana handimby azy. Nanomboka teo dia tsy nofidiana intsony ny andriana fa nifandovana. Nifandraika tamin'izany, dia nisy ireo taranaka mpanjaka indiana, maley sy arabo avy any ampitan-dranomasina tonga teto Madagasikara nanomboka tamin'ny taonjato fahasivy ( 801 - 900 ) , ka izy ireo koa dia nitonon-tena avy hatrany ho andriana. Teto ary no teraka ny fijery fa ny andriana dia an-tanan-tohatra iray eo amin'ny fiaraha - monina ary ao aminy no akana ny mpitondra lehibe indrindra, dia ny mpanjaka izany. Io mpanjaka io moa dia antsoin'ny teto i Merina koa hoe: ny Andriana. Teraka teto koa ny fijery fa rehefa tsy andriana dia voasokajy ho hova na mpanompo ( andevo ) , izay mbola horesahantsika . Io karazan'andriana io no hita farany erak' i Madagasikara tamin'ny taona 1895 ; nialohan’ny nanjanahan’ny Frantsay . Marihina anefa fa nisy foko sasany izay tsy nahalala akory ny fisian'ny andriana toy ny foko Tsimihety izany, mitovy zo avokoa ny mponina ao amin'io vondron’olona iray io ka ny zokiolona no mitondra ny vahoaka entina. Toy izany koa ny vondron’olona ao amin’ny Antambahoaka ; andriana avokoa fa tsy mba nisy hova na mpanompo, saingy mifidy mpanjaka izy ireo. Ho famintinana, dia hoy ny ohabolan'ny Ntaolo teto Imerina : Ny andriana tsy nitrobona avy amin'ny tany, na nitsotsorika avy any an-danitra, fa loharanon'andriana olombelona . - Ireo karazan' Andriana taty Imerina Ny andriana lazaina eto dia ilay andriana taranaka. Misy an -tana-tohatra koa anefa ao anatin'io andriana io dia ny andriamanjaka, ny zanaka nateraky ny andriamanjaka, ary ireo andriana havan'andriamanjaka. Tamin-dRalambo dia namboariny io an-tana-tohatra anatin'ny fiandrianana io mba hisorohana ny ady fanjakana eo amin'ny samy andriana ka nasiany an-tana-tohatra efatra ho an'ireo andriana tsy mahazo manjaka intsony, ka izao ny filaharany araka ny lehibe indrindra mankamin'ny kely indrindra: Ny Andriatompokoindrindra, izany , izy ireo izay tsy iza ; fa ireo taranak'Andriantompokoindrindra, izay zanaka lahimatoan-dRalambo. Ny Andrianamboninolona, izay niteraka ireo taranak'Andrianamboninolona, rahalahin - dray no rafozan-dRalambo . Ny Andriandranando, izay tsy iza fa ireo rehetra izay taranak'Andriandranandobe, izay dadatoan-dRalambo. Ny Zanadralambo izay hita tsara fa mizara ho Zanadralambo amin'Andrianjaka = taranaky ny mpanjaka Ralambo tamin'ny vadikeliny sy ny Zanadralambo , izay tsy iza ; fa izy ireo dia tsy mba taranaky ny mpanjaka Ralambo. Tamin'ny mpanjaka maro, dia nisy ireo olona nisaoran'ny mpanjaka noho ny fahamendrehany koa ; natao ho isan'ny Zanadralambo izy ireny. Napetraky ny mpanjaka Ralambo araka ny filahatra etsy ambony ny toerana misy ireo sokajin'andriana ireo ka manomboka eo Ambohidrabiby miatsinanana . Ny tanàna nametrahany ireo Zanadralambo naterany no akaiky indrindra an'Ambohidrabiby, eo atsinanan'io kosa no misy ny tandavan-tendrombohitra misy ny Andriandranandobe ; dia i Masinandriana ; Ambohimailala ; Ambohibe Ilafy ary i Manankasina. Eo atsinanan'ny Andriandranando kosa ny tandavan-tendrombohitra misy ny Andrianamboninolona , dia Ambohitrandriananahary ; ka hatrany Kilonjy ; Ambonisoa sy Viliahazo . Ary farany any amin'ny ilany atsinanana indrindra ny tandavan-tendrombohitra misy an'Ambohimalazabe sy Ambohimalaza. Io fandaminana ny filaharan'ny andriana voarakitra amin'ny fizaran-tany miatsinanana io no mandiso tanteraka ny lovan - tsofina milaza fa tamin'ny mpanjaka Ralambo dia ny Zanadralambo amin'Andrianjaka no ambony indrindra fa ny mpanjaka Andriamasinavalona no nanova izany. Marihina anefa fa ny mpanjaka sy ny andriana azo asandratra ho mpanjaka dia tsy mba nampidirin-dRalambo tao anatin’izany , fa ivelan'io an - tana - tohatra efatra io, dia ny mpanjaka tenany sy Andriantompokoindrindra zanany ; ary Andrianjaka sy ireo taranany, ary ny Andriandoriamanjaka. Manaporofo izany, fa Andriantompokoindrindra sy Andrianjaka ihany no nanaovan - dRalambo fitsapana satria izy roa lahy ireo no hany manana zo hanjaka tamin'ireo zanany naterany maro, ary izy roalahy ihany no zanak'andriana ankoatr'ireo Andriandoriamanjaka. Midika izany araka izay efa tery aloha fa tsy tamin'Andriamasinavalona akory no nipoitra ny firazanana zanak’andriana hakana ny andriamanjaka fa efa tamin-dRalambo sy talohan'izany ; aza adinoina Fanjakana Arindra izay nataon-dRangita sy Rafohy . Saingy nisy ny Zanakandriana ivelan'ny fanasokajiana azy ireo tamin-dRalambo. Eo amin'ny fizarantany, ny Andriandoriamanjaka sy ny Andrianjaka dia tsy napetra-dRalambo tany amin'ny faritra atsinanana na atsimon'Ambohidrabiby. Manaporofo izany, ireo andriana nahazo nanjaka tamin'ny mpanjaka Ralambo dia ivelan'ny an - tana - tohatra efatra io, ary izy ireo no nahazo niely patrana sy nonina tamin'ny faritra andrefan'Ambohidrabiby. Andrianjaka sy ny vady aman-janany izay handimby azy ihany no zanaky ny mpanjaka Ralambo napetrany eny am-pita andrefan'Ambohidrabiby, dia teny Ambohimanga izany, fa tato aoriana Andrianjaka rehefa nanjaka vao nianatsimo nankeo Analamanga. Ireo Andriandoriamanjaka izay tsy nanaiky fa hitady fanjakana dia niala teo Ambohidrabiby ka nianavaratra any Andavakisakay sy niakandrefana any Imamo sy Ivonizongo. Ary farany, Andriamanentoarivo izay mpanolotsain' Andriantompokoindrindra dia niala avy any Ambohimalazabe ka avy hatrany dia niankandrefana ary tonga razan'andriamanjaka any Vonizongo. Ireo ohatra telo ireo dia maneho fa misy ireo karazan'andriana izay tsy voasokajy mihitsy ao anatin'ny an-tana-tohatra efatra nataon-dRalambo noho izy ireo natao hanjaka ary ny toerana nametrahan-dRalambo azy ireo dia porofo manamarina izany, dia ny zo hiankandrefana. Sarotiny tamin'ny fahadiovan'ny andriana ny mpanjaka Ralambo ka tsy nekeny velively ho lasa andriana ny olona na antokon'olona izay zanaka nateraky ny andriana tamin'ny hova na mpanompo. Ary tsy navelany hanolo-tsaina azy na ny zanany afa-tsy ireo andriana iray karazana aminy. Porofon'izany, ny Andriandoriamanjaka, zafin-dRabiby sy terak'Andrianamboninolona no nalain-dRalambo ho mpanolotsainy teo Ambohidrabiby raha toa ka Andrianentoarivo, izay lasa razan'andriana tany Lohavohitra no sady mpanolotsain'Andriantompokoindrindra teo Ambohimalaza. Tamin'Andriamasinavalona dia notovanany an-tana- tohatra telo teo ambonin'io an-tana-tohatra efatra nataon-dRalambo io, izany dia mba hisorohana hatrany ny ady fanjakana eo amin'ireo taranaka ka toy izao ny filaharany avy amin'ny ambony indrindra hatrany ambany : Ny Zanakandriana , dia ireo andriana azo asandratra ho mpanjaka. Saika zanaka nateraky ny mpanjaka sy ny mpiray tampo amin'ny mpanjaka izy ireo, ary ireo andriana tian'ny mpanjaka hosokajiana ho zanakandriana na noho ny hafa-drazana toy ny momba ny Andriandoriamanjaka. Marihina fa ny Zanakandriana dia mahazo manjaka, saingy maro amin'izy ireny no tsy hasandratra ho mpanjaka mihitsy noho ny antony maro, toy ny lalàna mifehy ny fifandimbiasana teo amin'ny fanjakana na noho ny fifandanjan-kery ka lasa anaram-boninahitra fotsiny sisa ny maha mahazo manjaka azy ireny. Ohatra amin'izany, ny tera-dRadama I sy Rasalimo, na dia Zanakandriana aza dia tsy nahazo nanjaka satria ny lalam-pifandimbiasana teo amin'ny fanjakan'andriana merina dia milaza fa tsy maintsy Merina ray sy reny vao mahazo manjaka. Toy izany koa, Andrianampoinimerina dia nilaza fa tsy maintsy ny tarana-dRangory sy Ralesoka no manjaka, koa ireo zanak'andriana tsy tafiditra amin'izany dia tsy hanjaka mihintsy. Tato aoriana dia nantsoina koa hoe Printsy na Printsesy ny Zanakandriana. Ny Zazamarolahy, dia ireo taranak'izy efa-dahy nanjaka teo Antananarivo ; Ambohidrabiby ; Ambohidratrimo ary Ambohimanga ; izy efa-dahy ireo dia zanaky ny mpanjaka Andriamasinavalona. Marihana fa tamin'ny andron'Andrianampoinimerina sy ireo mpanjaka nandimby azy dia nampidirina ho isan'ny Zazamarolahy koa ny sasany tamin'ireo andriana tamin'ny foko hafa, toa ny andriana tany Imamo izay nantsoina hoe Marolahin'Imamo sy ny zanaky ny mpanjaka sasany tao Andratsay. Ny Zazamarolahy dia sady azo ampiakarina ho Zanakandriana no azo ampidinina koa ho Andriamasinavalona . Ny Andriamasinavalona : ireo dia voasokajy ho ireo taranaky ny mpanjaka Andrianjaka , izay tsy azo sokajiana ho Zanakandriana na Zazamarolahy, isan'izany ny Zanadranavalona ao Anosimanjaka. Maro koa ny Zanakandriana sy Zazamarolahy no natao ho Andriamasinavalona. Ary misy koa ny Zanadralambo amin'Andrianjaka toy ny avy amin'ny terak'Antsomangy no natao ho Andriamasinavalona. Maro koa ny vondron’olona hafa no natao ho isan'ny Andriamasinavalona toa ny terak'Andriamborona sy Ampanarifito izay Andrian'Imamo ary ny taranak'izy Antemoro - Anakara telo lahy izay nanolotsaina ny mpanjaka Andrianampoinimerina. Misy amin'ireny tsy taranaky ny mpanjaka Andrianjaka ireny izay nakarina ho Andriamasinavalona anefa no tsy mahazo trano manara eo amin'ny fasany ; dia ny : Andriantompokoindrindra Andrianamboninolona Andriandranando Zanadralambo ; amin'Andrianjaka sy Zanadralambo. Fa ankoatr'izany, teo ambanin'ny sokajy andriana izay ahitana ireo an - tana - tohatra fito voatanisa etsy ambony, dia nasian'ny mpanjaka Andriamasinavalona koa ny sokajy natao hoe Havan'Andriana ; ireo havan'andriana moa dia sady tsy andriana no tsy hova. Ny havan'andriana dia ahitana ireo taranaka mpanjaka izay nanomboka tamin'i mpanjaka Rafohy sy Rabiby izay tsy mba nampidirina ho andriana. Toy izany ny taranak'Andriamanangaona; ny taranak'Andriamitondra; ny Antehiroka sy maro hafa koa. Ny Zanakandriana na ny Zazamarolahy sy ny Andriamasinavalona ihany no voalaza fa terak'ifohiloha. Ny Andriantompokoindrindra sy Andrianamboninolona ary Andriandranando , no atao hoe terak'Andriateloray. Hatramin-dRalambo ka hatramin'ny taona 1895, ny andriana dia azo avarina ho hova na mpanompo raha nandika lalàna. Araka izany, tsy mba toy ireny atao amin'ny teny frantsay hoe castes tany India ireny ny fiaraha - monina Merina. Tany India mantsy ny hova dia tsy mba azo natao andriana ary ny andriana dia tsy mahazo manambady hova. Ohatra amin'izany, Andriamasinavalona iray amin’ireo nanambady zazavavindrano, ka araka ny tantara dia niterahany an'i Ranavalontsimitoviaminandriana izay nonina teo Anosimanjaka. Io renibe Ranavalona io kosa dia voalazan'ny lovantsofina fa nanambady Antehiroka. Toy izany koa Radama II , dia Andriamihaja, hovalahy, no rainy nefa Ranavalona I , izay andriana no reniny. Ny zanaky ny andriana tamin'ny hova dia sokajiana ho Folovohitra , Hova , na Velon-draiaman-dreny . Marihina fa ireo an-tana-tohatr'andriana ireo dia manana ny zony sy andraikiny ary ny fadiny avy. Ohatra, amin’izany ny Andriandoriamanjaka no mpanenona ny lamban'ny mpanjaka; ny Zazamarolahy sy ny Andriamasinavalona no mpandrary ny tsihy atao amin'ny tranomasina; ny Zanadralambo no mpiandraikitra ny famonosana fatin'andriana; ny Andriantompokoindrindra no manao ny dihy soratra amin'ny fora zanakandriana; ny firavak'andriana, ny terak'i Fohiloha no mahazo trano manara eo ambony fasany, ny mpanjaka no misy ny trano masina eo amin'ny fasany. Fa misy kosa fombafomba iraisan'ireo an-tana-tohatr'andriana ireo, dia ny fampiasana voambolana manokana hoan'ny andriana toy ny Tsara va tompoko , na Sarasara tsy ambaka na ny Tsara antitra tompoko; raha mifampiarahaba izy ireo na koa ny hafenina na hasitrika fa tsy hoe halevina raha misy maty am-pidirina ao am-pasana; ny tsy fanaovana famadihana fa kosa fandrakofana lamba ny maty. Vokatry ny lalàna mifehy ny fanambadiana teo amin'ny andriana merina ; dia nanana endrika mampiavaka azy ny andriana ka izany no antsoin'ny Ntaolo hoe endrik'andriana ary manamarina ny fisian'ny endrik'andriana ny ohabolan'ny Ntaolo manao hoe: Andevo mitafy jaky, arahabaina tsy andriana, tsy arahabaina, andriana. Ny andevo dia saika olo-mainty ka nahagaga ny fiarahamonina ihany no nahita olo-mainty mitafy jaky. Ireo andriana merina tsy mitampoka mantsy dia saika fotsy fihodirana nefa misy ihany ireo somary mena, na volon-davenona na volombarahina. Tena vitsy kosa ireo andriana merina no mainty fihodirana. Maranidranitr'orona sy manifinify molotra ny andriana. Izany maha maranidranitr'orona ny andriana izany dia nataon'ny Ntaolo ho mahatsara tarehy ka raha misy petak'orona dia nataony hoe ratsy tarehy, satria ireo hova sy ireo andevo dia saika petak'orona. Ny andriana Merina tsy nifangaro loatra tamin'ny hova na andevo na taranak'andriana amin'ny vondron’olona hafa dia kelikely ray ny vatany ary ny andriandahy amin'izany dia somary lavalava endrika. Momba ireo Andriantompokoindrindra izay nalaza tamin'ny lova tsy mifindra ohatra dia efa nilaza tao amin'ny boky Firaketana tamin'ny taona 1939, p. 352 mikasika ny Ambohimalaza. Zava-dray loha tena azo ambara fa mampiavaka ny Andriantompokoindrindra hatrany am-boalohany , dia izy ireo tsy mety mifanambady amin’ny karazan’olona hafa, nahatonga ny fisiana karazan’olona manokana, mora fantatra amin’ny toetr’endriny somary vorivory sy ny volon-kodiny, fotsy na dia misy ihany koa ny tsy toy izany amin’ny fianakaviana sasany aminy. Taty aoriandriana vao nisy fivahavahàna kely izany, na noho ny antony momba ny tsi-fahatsaran’ny fifanambadian’ny mpihavana akaiky loatra, na vokatry ny fioavan’ny fomban-tany vaovao . Toy izany koa ny Andriamasinavalona tarana-dRanavalotsimitoviaminandriana ao Fiakarana dia mbola sahy milaza fa fotsy fihodirana ny karazan-dry zareo. Andrianampoinimerina moa ; dia ilahifotsy avy amin'ny alahamaditany no nilazan'Andriambelomasina raibeny azy. Ary ilay vazaha sendra taty an-tsisin' Imerina tamin'ny nanjakany dia nitatitra fa Andrianampoinimerina dia lehilahy fohy fa tsy lava akory. Manamarina io maha keliray an'Andrianampoinimerina io ny lovan-tsofina momba ny nampitahana ny tehin'Andrianampoinimerina sy ny an'ny mpanjakan'Imamo sy ny mpanjak'i Betsileo avaratra. Fohy hatrany mantsy ny tehin'Andrianampoinimerina miohatra amin'ny an'ireo mpanjaka roa hafa. Ary ny fandrian'Andrianampoinimerina amin'ny lapany tao Ambohimanga rova aza , dia mbola hita ao ; fa tsy mihoatra ny 1,60 m ny halavan'izany fandriany izany. Toy izany koa Radama I ; izay mazava fihodirana no maranitr'endrika sy malama volo. Azo itarafana io endrika maranidranitra ny orony amin'ny andriana ireo ny sarin'ny tena atin'andriana toa an'Andrianampoinimerina; Radama I; Radama II; Rasoherina ; Ranavalona I; Ranavamona II; Ranavalona III . Misy anefa andriana no mety ho ngita volo mihitsy sy mangamanga saingy maranitr'orona foana izy ireny. Ireny andriana mangamanga sy ngita volo ireny hono no taranaky ny mpanjaka tamin'ny andriana tany amin’ny tanindrana na tamin'ny mpanompony ary ngita volo avo razana no fiantso azy ireny . Nanomboka tamin'ny taona 1895 dia efa maro ireo andriana no nivady tamin'ny hova na mpanompo na foko hafa ka nanova tanteraka ny endrik'andriana ankehitriny. Misy amin'ireo mitonona ho andriana ankehitrio mantsy no zarazara fihodirana sy petak'orona ary ranjanana sy lava ka mifanalavitra tanteraka amin'ny endrik'Andrianampoinimerina sy Leidama sy ry Ranavalona izay haverina indray fa fotsy fihodirana, na volom-barahina na volon-davenona, maranidranitr'orona no manifinify molotra. Mbola maro koa anefa ireo andriana no mitazona izany endrik'andriana izany toy ireo andriana ao Fiakarana izay sahy milaza mihintsy fa fotsy fihodirana. Ireo mpanjaka nandimby an-dRalambo ; dia tena sarotiny tamin'ny fiandrianana , ka hatreo amin'Andrianampoinimerina ; dia nitondra hatrany io teny hoe andriana io amin'ny anarany : Andrianjaka, Andriatsitakatrandriana, Andriamasinavalona, Andriambalohery, Andrianjafy, Andrianambonimena . Andrianampoinimerina kosa anefa nanova izany tanteraka ; ka ireo zanany lahy dia tsy mba nisy io teny hoe Andriana io ny anarany: ohatra Rakotondradama, Rakotomavo, Ralainanahary. Eny fa na dia ireo mpanjakalahy nandimby an'Andrianampoinimerina aza dia tsy nahitana intsony io teny hoe Andriana io fa dia ny teny hoe Rakoto; Razaka na anarana ialohavan'ny teny hoe Ra- no tena nampiasaina toy ny hoe Rakotondradama; Radamamanjaka; Rakotoseheno; Ranjeva; Ramahatra; Ratefinanahary; Ramaniraka; Rabemaso. Naverina kosa anefa ny fampiasana ny teny hoe manjaka amin'ny anaran'ny mpanjaka ; toy ny hoe Radamamanjaka sy Ranavalomanjaka , raha efa tamin'ny andron-dRalambo sy Rafohy no tena nampiasaina izany hanavahana ny fianakaviana akaikin'ny mpanjaka. Ny fianakaviana akaikin'ireo mpanjaka tamin'ny taonjato faha 19 ( 1801 - 1900 ) moa ; dia nanohy izany fanovana nataon'Andrianampoinimerina izany ; fa tsy nampiasa intsony ny teny andriana amin'ny anarany, ohatra amin'izany: Rakoto Ratsimamanga = taranaky ny Zanakandriana; Rakoto Andriambalo = lehiben'ny taranaky ny Zazamarolahy; Rakoto Razakaboana = lehiben'ny taranaky ny Andriamasinavalona, Ireo fianakaviana andriana sisa kosa dia mbola tavela amin'ny famelomana ireo anaran-drazany izay mbola nisy ny teny hoe Andriana. Izany fanovana nataon'Andrianampoinimerina izany dia maneho fa mivoatra ny fampiasana ny teny hoe andriana teo amin'ny fiaraha-monina sy ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana taty Imerina. D2 = Ny andevo : Ny Maha Andevo : Tsy azontsika atao ny tsy hiresaka momba ny andevo sy ny toetra maha andevo rehefa mahita ireo andevo tsy tambo isaina voatanisa ao amin’ny fananan’ny razana tany aloha. Mety hisy olona hadisadisa amin’izany, ao ny mety hatahotra, ary ao koa ny mety hieboebo anaty. Tsy izany no tanjona tratrarina fa ny handinika ny toe-javatra araka ny mety ho fisainana tamin’ny fotoanany. Ny ambany ihany no tafintohina na mieboebo. Ny fisainan’ny olona mety hianatra dia misondrotra mandrakariva, ka tsy andevozin’ny lasa fa miatrika kosa hatrany ny ho avy tsaratsara kokoa. Avy taiza ary ireo andevo ireo ? Fomba nisy tamin’ny andro taloha eran-tany, nentin’ny « Portugais » sy ny Arabo na Antalaotra ary ny Karana teto. Ary nanjaka teto amintsika efa hatrany amin’ny 1660 tany io resaka io, ka mandra-panafoanan’ny Frantsay azy. Dia namela dikany mifandiso ao an-tsaintsika Malagasy ka ilàna fanafody sy fanarenana lalina, na eto afovoan-tany na any anindrana. Samy nanana andevo olona daholo . Ka rehefa miteny hoe andevo isika, dia inona no ao an-tsaintsika manalokaloka ao ? - Antokon’olona ve ? - kilasy sy firazanana ! - Volon-koditra ve ? - Toetra ve ? Izay endrika nisehoany teto amintsika sy tany an-tany hafa amin’ny ankapobeny no raisintsika, dia ny hoe: rafitra niorenan’ny toe-karem-pirenena sy ny fitondrana no niteraka ny andevo. Antokon’olona nampiasaina tsy misy karamany no natao hoe andevo, mpanompo, nolefahina anarana hoe : « ankizy » ny dikan’izany dia « mineur » no fihevitra azy, tsy manana ny sata sy maha-izy ny olon-dehibe. Olona resin’ny nan
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/raha-tsy-hihira-intsony
Raha tsy hihira intsony
Rongo
Raha tsy hihira intsony... Raha tsy hihira intsony isika iza indray no mba hikalo ny hatsaran'ny lohataona mbamin'ny volana baliaka sy ny alina mimoana? Raha tsy hihira intsony isika iza indray no mba hitsilo ireo tsy manan- kitarainana mosarena an'alinkisa izay nalavon'ny fiainana? Raha tsy hihira intsony isika iza ndray no hampanako ireo tarainan'ny ambany noverezin- jo tsy hihiaka moana noho ny fahantrany? Raha tsy hihira intsony isika iza indray no hamelomaso irony tsiaro am- para- tazana miha rendrika tsy ho hita nefa ain'ny tanindrazana? Raha tsy hihira intsony isika iza indray no ho arofanina eny anivom- piarahamonina anjakan'ny disadisa sy ny sisa tsy hay tononina? Soa fa mbola mihira isika...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/andramo
Andramo
Rongo
Andramo... Fa raha izay nofo monja tsy mbola hahavita hanorina fitiavana mafonja ao am- pon'ny ''zanakolona'' Tsy hahazaka topan'onja raha toa ka mbola nofo no heverina hitondra fitiavana tsy miofo 'Ndehana indray andramo voleo fanahy ny fo raha toa ka ta himamo fitia tsy mety lo Fa raha izay nofo monja tsy mbola hahavita hanorina fitiavana mafonja ao am- pon'ny ''zanakolona''
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/ny-isika
Ny Isika
Rongo
Ny "Isika" Ny "Isika" tsy natory tsy nandrandra-nofinofy raha tsy re figadogadona sy tsy nifampitosy! Fa ny "Isika"? Tsy aiza akory f'efa maty ka nangina vao nitsaika ny "Ianareo" ka nateraka ho fisiana! Ka raha maty ny "Isika" tsy ho velona n'oviana ninoninona hiseho! Raha tsy maty ny ''Ianareo''
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/tsy-poeta-ny-poeta
Tsy Poeta ny Poeta
Rongo
Tsy poeta ny poeta... Toy ny isika nofo ihany miaina tahaka ny rehetra avy tamin'ny vovo- tany fa tsy anjely ny Poeta! Maminany izay hitranga ka mamoha ny am- parahatony amin'ny tononkira manja tsara tefy anaty lantony! Tenaben'ny finiavana izay nateraka hitolona sy hamelona fitiavana ao am- pon'ny zanak'olona! Ilay tinaitran'alim-be tsy nahatsindry ka niarina raha ny maro kosa he mbola anaty nofy lalina! Tsy Poeta ny Poeta mampatory ny ambiroany sy mitsahatra hetaheta noho ny volon'andro tony! Ilay misala sy manahy tsy mba babo indray mandeha fa mikatsaka am- panahy ny hatsaran'ny ela be! Rehefa izay no tarigetra vao Poeta ny Poeta!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/ny-tia
Ny tia
Rongo
Ny tia... Ny tia tsy mandeha ila, Ka hoe izay tinao ihany No voasoritra ho efainy. Fa izy koa mba mila Kisarin- tenimamy Avy aminao lalainy. Ataovy tsisy dila Izao teniko eto izao, Raha diso aho dia teneno... Fitia manao tanila Ny ambadiky ny atao Raha toa ka tsy hifameno! Fitiavana dia 'zao: Avy ao am- po ny retsiny, Fa tsy natao ho sazy Tsy mbola tia ianao, Raha toa ka miandry setriny... Vao hahafoy tena ho azy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/loza
Loza
havotraniaina
LOZA Ry olombelona eto an-tany, Mihainoa, mahirata, Mihasimba ny tany, Miharatsy hatrany. Jereo ny zavaboahary, Mitoloko mitomany, Henoy ny antsoantsony, Mitaraina mihalany. Na ho ela na ho haingana, Ho simba ny tontolo, Ho loza ny hanjoa , Ny tany manontolo. Isika olombelona, Natao mba hanjaka, Indrisy! Namoehatra, Nihevitra ho mpanjaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misasatra
MISASATRA
Fredy Jaofera
MISASATRA Misasatra vao mihinana no hafatra efa iankinana. Misasatra vao mandeha ny zahatra voizina ange. Misasatra vao ho tazana ny taratra hahombiazana. Misasatra vao ho tontosa ny lahatra hanova eto kosa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/mino-va-ianao
Mino va ianao?
Rongo
Mino va ianao? Tsy hahatazona minitra Tsy hahaverina ny lasa Saingy maha isika antsika Ny manahy sy ny mikasa Ny olombelona fimaty! Zotra iray ny manan'aina Saingy fahamboniana anaty Ny fananantsika saina! Isika izao tsy nofo ihany Izay no ataovy an- dohanao Ny fodian'ny nofo ho tany? Fiandohana iray vaovao... Mino izany va ianao?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/bibibiby-ny-olona
Bibibiby ny olona
Rongo
Bibibiby ny olona Ianao nitia ny fony, nitia ny marolafiny; izay mety ho fahalemeny hatramin'ny kilemany! F'ireny tsy tsaroany fa difotra ny masony, ka mainty izay jereny noho ny fitiavan-tenany! Ianao ilay be fitsetra tsy mba nanidy tanana, nanolotra tsy niato fa nentim- pahatsorana. Fa ny ao an- tsainy anefa, handavo anao an- dalana; hiredona lamako vao Ianao no tojo olana! Ny amboa raha manoloana, tsipazanao indray maka; miriotra sy mirimo mahatsiaro vao mahita! Fa ny olona aman- taona tinaizanao tan- dapa, mahavita manadino ao anaty iray minitra! Bibibiby ny olona... Fa tsy mba toy ny alika...!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-ratsy
AMIN'NY RATSY
Fredy Jaofera
AMIN'NY RATSY Rehefa hanam-batsy ho lesona hatrany am-para, na rahoviana izay, tiavo izy amin'ny ratsy dia ho azonao amin'ny tsara amin'ny fotoana iray.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/ho-inontsika-ny-hira
Ho inontsika ny hira
Rongo
Ho inontsika ny hira Ho inontsika ny hira raha hiraina fe hiraina, tsy hitondra fahamboniana ho an'ny fo fanahy sy saina; kotrakotram- pahoriana sy mitolona ara- nofo, milonjehitra mangina irony tanambokovoko? Ho inontsika koa ny kalo, izay kaloina sy antsaina eny an- tsofin'ny mpandalo amin'ny andro vao maraina, raha ho rediredy monja sy mandringa ny hatsarany; tsy hahababy tsy hahatondra na dia sombin- tsiky ihany? Sarobidy very lanja, vary an- daona ratsy toto; toy ny virijiny manja novirain'ny jiolahim-boto ny hirahira izay hiraina, sy ny kalo izay haranty raha tsy hambomba fofon'aina hahavelona ny maty!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/hafa-mihitsy
HAFA MIHITSY
DADAFARAtolotra
Mamiratra toa raozy, ny lokom-pelam-boniny Mampodipody mandry, ny kalo izay foroniny Manintona ny maso, ny haingohaingo an-tavany Toy ny vatosoa, ny nify anaty vavany Toa lamban'ny anjely, ny tafy fisalorany Manako fahalafarana, ny làlana fizorany Toa kintana sy volana, ny masony mitazana Fikiriko ny sandriny,ary hanidiako vazana Tsy mahay mamitaka, mpandositra hadalana Rano tsy hisy fetrany, hatao dobo fantsakana Afaka hitovozana, solofo dimbin'ala Tena tiako loatra, ka tsy asiana salasala Faranako ny soratra, izao no mba lazaina Hafa mihitsy ianao, hatrany am-parapofon'aina Fatorako voady, fefeko anaty dina Sambatra ny fiaiako fa manan'olon-tiana Rehefa tonga ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ny-feoko-mitaraina
Ny Feoko Mitaraina
NY Andri-Fara
Ny Feoko Mitaraina Hatraiza moa ny Fetra Na ny ora sy fotoana , Tokony hihaonana Aminao; Ry Jesoa Mpanjakako o! Fa henika adalana Heni-pahantrana! Drodroky ny fahoriana , Nisesisesy indray ny fijaliana . Izao tontolo izao Sy ny taninay ..., Mahantra fahasambarana . Tompo o! Inoako Fantatrao ; Ny Feoko Mitaraina .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zakainanavalona/malala
MALALA
ZAKAINANAVALONA
MALALA Ampy nahafantarako ny momba anao ; eny ampy Ilay minitra monja kely ! nahalalako anao . Ampy nahafantarako anao , eny na tsy ho tanty ! Ilay kely izay nitoerako , ninia nolavinao . Ampy nahafantarako ny misterinao… Ny masoko mijery… Ilay fonao mbola tia, fa… ; Ninianao nafenina tanaty fankahalana . Eny , ampy inoako ny tianao lazaina ; Ny eritreritreo manjeny Ilay masonao mamikitra toa vahotra mijery ndry !!! toa tsy tohako ialàna Ampy anekeko ; eny ; ampy hifaliako ny nahalalako anao Na minitra kely monja aza , tsy neniko mihintsy Fa eny , tiako ho fantatrao Fa na oram- batravatra , arahin- tafio-drivotra Manakana ahy tsy hahalala Dia tohako ao anatin’ny masonao mamikitra Ilay fitia tsy misy mahalala
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/olombelona-ihany
OLOMBELONA IHANY
AORN
Ny andro ary ve no mitanika orana No manjombon’ila zay rehetra jerena Sa kosa lay foko no mangorangorana Ka lasa ny maso no zary jambena? Ny fo malahelo mikiky ao anaty Mamorona sento mamboly ahiahy Ny saina mikiry fa tsy mahatanty Voakitika hatrany amin’ny aty fanahy D’injao fa mirotsaka ny ranomaso Fa efa mitobaka tsy azo fefena Raha miaina eto an-tany tsy ilazan’ankaso Fa Mbola olombelona ihany ny tena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fahazazana
FAHAZAZANA
AORN
Mijery ireto ankizy Anaty fifaliana Toa lavitry ny jaly Dia satry koa hiverina Hiaina ny taloha Hitsiky sy hifaly Jerena ireto izy Misangy tsy amin’ahy Manao izany am-po Dia tsiaro no miverina Lay nilalao fahiny Niraisana avokoa D’indreo fa mifanosika Dia miaraka mianjera Avy eo mifampitantana Fa fony Mbola ankizy Hatrany an-tanimbary No miosina ny vantana Fa Mbola hafa ihany Izany fahazazana Toa lavi-pahoriana Raha Mbola ao anatiny Dia hararaoty hatrany Ataovy am-pifaliana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/omaly
Omaly
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Omaly Nitia anao ny foko Ka nanambara izany Fa tsy nasianao sira Sy navelanao tomany, Mafy tamiko iny Satria tena fitiavana Nivoaka avy ao am-po. No nasetrinao fandavana, Eny, nitia ahy ihany ianao Fa naharoharonao Fitaka sy lainga Tena tsy nampoiziko. Fa androany. Tapitra ny fetran' Ny fara-fiaretana Azoko laniana Hisisika aminao. Aleo mampionon-tena Mionona ho tsy tiana Ka hiova lalan-kafa Sy hanadino anao. Nefa na izany Tsy ho afaka ato ampoko 'lay tena fitiavana Nitiavako anao. Nefa rahampitso Mety hisento ihany Ny fo anatinao Rehefa mahatsiro Ny lasatsika ireny. Kanefa amin'zany Tsy hahita ahy intsony ianao Na ilay finiavako Nikiry hitia anao,
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriananjariana-pierre-charles/fitiavana-roa-sosona
Fitiavana roa sosona
Andriananjariana Pierre Charles
Fitiavana roa sosona. Firehan'ny fo amin'Andriamanitra Fanomezana avy any an-danitra Ilay soa indrindra,mendrika tokoa Tiko mihoatry ny hitan'ny maso roa Fo marina no entiko mitia azy Ialako ny fahotana sao voasazy Fahasoavana hatrany hatrany No takalon'izany hatreto an-tany Izy no tsy afaka ao an-tsaina Tsaroako matetika isa-maraina Te-ho tompon'ny foko samirery Anankinako ny Fanahiko tsy ho very Ny fitiava-namana toy ny tena Na mahafaly,na mahasorena Aoka hiaiky ao ampo fa mpanompo Ka manao 'zay mahafaly ny Tompo. Fitiavana tsy manavak'olona Na firazanana,fiaviana voatonona Nefa misy voalohany sy farany Satria mbola misy ny filaharany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/nenina
NENINA
DADAFARAtolotra
Raha mba tsy nomeko ny foko manontolo Dia tsy mba toy izao, Sento tsy ankiato no mifanolosolo Fa nofitahinao, Ianao nataoko ho vady, mba andry azo hifotorana Ka dia mba notolorana, Nomeko fahasambarana, nomena fahadiovana Izaho kay fandalovana, Jamban'ny fitiavana aho, ka tsy nisaina akory Dia niaraka natory, Indrisy kay ry lasa, fery tsy hay sitranina No indro tafajanona Ranomaso lava, rofy sy tomany Manako anatiko any, Mameno ny ato am-poko koa ny ratram-pahantrana Ny lamba tsy hay sasana Harariko ho anao, ny fondro sy ny tsiny Nasalotr'ahy fahiny, Noho izany : ianao ankahalaiko Fa ny zanakao tazaiko Ho solon-tsika roa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/hatsarantarehy
Hatsarantarehy
Rongo
Hatsarantarehy Raha tsy ho masina amin'ny teny izay hasinintsika isika, dia ho mosalahy mpandrenty kalo moana sy poakaty; mana- maso tsy mahita, jamban'eritreri-maty sy ny fitaka am-babeny; ka mitory tsy fitory sy miteny tsy fiteny! Raha tsy ho velona amin'ny aina izay haterany ny saina, dia ho ilay mahantra indrindra mitofezaka amin'ny adiny; mbola tsy mitranga akory ny angon- taratra maraina, dia hikainkona halazo ka tsy ho tojo izay tadiaviny! Ny hatsaran- tarehy anefa raha tsy tazana mitopa, sy miseho an- karihary amin'ny endri- manodoka, tsy nankaiza fa niery ao an'efiny mangina; miandry ny ora sy fotoana hiofony ho tononkira ao am- parahatotsika! Saingy isika no mamono ny Andriamanitra matory ao anatintsika ombieny, ka mitory tsy fitory sy miteny tsy fiteny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/lazao
Lazao
Rongo
Lazao Iza moa no hahalala Ireo atotam- paniriana Miafitra ao am- po tsy miala Raha kobonina ao mangina? Toy ny vony iray malazo Mosarena fifaliana Ny ao am- po raha toa ka babo Nefa izany tsy toriana! Eny, fitaka ny saina Manambara fahafenoana Amin'ny loharanon'aina Izay tsy mbola nisotroana! Ka raha tena tia ianao Misikina herin- tsaina Mandehana 'ndeha lazao Rahampitso vao maraina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kintanny-natiora/aloka
Aloka
Kintan'ny Natiora
Tandindom-pitiavanao azy no hany nitiavanao ahy Tsy nisy fitia tena izy fa kisary no betsaka tao Izaho nanantena sy niandry, natoky ho silam-panahy Fa ianao tsy naharitra akory , nilaza sahady fa lao Nanorina mandam-pitia aho , nanao fefiloha ho fiarovana Fa tso-drivo-malefaka ihany dia ampy nandrava izany Vao nofafafafazan ‘ny erika, avy hatrany dia efa nirodana Lasa mangidy tsy laitra ilay mba noheveriko ho mamy Na tia sy tsy mbola mahafoy aza tsy maintsy manaiky ny didy Manaraka am-pahendrena ny lamina efa natao Te hitroatra ny foko kanefa indrisy tsy manan tsafidy Dia miaritra lava eny foana , misotro ny ranon talaho Atao ahoana fa ALOKA ihany e, miserana mety ho voafafa Tsy afak’hifikitra akory , misitaka rehefa tsy ilaina Ny hany mba sisa azo atao dia mitsabo mangina ny ratra sy Mitsiky ao anaty alahelo , mampahery ny fo sy ny saina Mafy ny miatrika izany a, saingy ekena tsy satry Fitiavana tsy mifamaly hono , fasan’ny fo ao anaty
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/tsiky-malefaka
Tsiky malefaka
Frederic Rnf
Ny tsikinao malefaka No mampientana ny foko Ny endrikao miramirana Manome herim-batana ahy Ny fijerinao toa ny ankamantatra Mitondra hery toy ny herim-baratra Izay mivimbina indrom-pitiavana No mamelombelona ny fanahiko Ny tsiky malefaka izay ananantsika roa No atambatra mba hanome filaminana Sy fiadanan-tsaina mba haharitra ela Ny fifankatiavatsika izay vao novolena Tsy ho afeniko aminao ny ato am-poko Dia ireny fitiavana natolotro ho anao ireny Mila ampianao tosika fa tsy ho efako irery Mba tsy hisian'ny an-kiafina kobonina ao am-po Ny feonao milantolanto tsy afaka an-tsofiko No manome hery ahy ho entiko miaina Mianoka hasambarana eo anivon'ny fitia Rehefa eo anilanao iny ry tiako sy tsy foiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/adinoy
Adinoy
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nahoana indrisy no dia mitaraina, Misento mangina no sady tomany; Ny ambadiky ny alina anie ka maraina e, Ny rahona sy aizina hisava ihany. Nahoana ankehitriny no handany fotoana, Amin'zay ranomaso ho adino rahampitso; Amboary ny saina hatanjaka foana Hameno izay banga sy hanitsy ny diso. Dory avokoa ireo diary mirakitra, Ny alahelo sy sento #navelany_ho_anao. Zotra hafa indray no ekeo mba handrafitra, Ny lalam-piainana hizoranao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noely-2
NOELY
Fredy Jaofera
NOELY Noelim-pandresena ny noelintsika ety, noelim-pamonjena fa tonga i Kristy. Noelim-piderana ho antsika Mpino, noelim-panasana eto ka hamasino. Noelim-pifaliana manerana ny tany, noelim-pifaliana ambara sesilany ! Noely manazav ny ory tsy voaisa hahita lalandava ny tena paradisa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/voady
Voady
Nisainana RAFETRARIVO
Androany ilay fotoana niandrasantsika Ho hanoratana ilay tantara Hanombohana ny fotoana Hakàna sary indray mipika Fotoana mamy hoantsika Hanatrehan'ny Alitara Hanatrehan'ny fianakaviana Hanombohana dimby sy fara Fitiavana nifanojo nomen'ilay mpahary Ho mandrakizay hiara-dia tsy hifanary
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/malalako-tsy-fantatro
MALALAKO TSY FANTATRO
AORN
Nanintona ny jeriko Lay endrikao niserana Nandalo teo anilako... Fa rehefa lasa lavitra Dia niaraka nitodika Nifampijery kely Niaraka nitopy Lay masontsika roa Dia nientana ny fo Ka ny vatako avy No tonga nangorintsana Sy toratora-kovitra... Ny hatsembohako aza Toa nipatrapatraka Namonto zany tavako Fa tia anao rahavako... Babo tena babo Ny saiko manontolo Fa fenonao daholo... Mba rahoviana indray No mety mbola ho hitako Antsefantsefan-dalana Ianao r’lay malalako Malalako ato an-tsaiko Malalako tsy fantatro?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zakaina/nahoana
NAHOANA
ZAKAINA
NAHOANA Ampy nahafantarako ny momba anao ; eny ampy Ilay minitra monja kely ! nahalalako anao . Ampy nahafantarako anao , eny na tsy ho tanty ! Ilay kely izay nitoerako , ninia nolavinao . Ampy nahafantarako ny misterinao… Ny masoko mijery… Ilay fonao mbola tia, fa… ; Ninianao nafenina tanaty fankahalana . Eny , ampy inoako ny tianao lazaina ; Ny eritreritreo manjeny Ilay masonao mamikitra toa vahotra mijery ndry !!! toa tsy tohako ialàna Ampy anekeko ; eny ; ampy hifaliako ny nahalalako anao Na minitra kely monja aza , tsy neniko mihintsy Fa eny , tiako ho fantatrao Fa na oram- batravatra , arahin- tafio-drivotra Manakana ahy tsy hahalala Dia tohako ao anatin’ny masonao mamikitra Ilay fitia tsy misy mahalala
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sariaka-harisoa/ny-fiainanny-kamboty
Ny fiainan'ny kamboty
Sariaka Harisoa
Ndriiii Kely dia miatrika ny fiainana sahady Kely dia tsy maintsy milofo sy mitady Tsy mba misy mpiahy,tsy afaka hiangoty Ranomaso foana ny fiainan'ny kamboty Raha izany hoe hafaliana,efa tsy misy intsony Fa vonton'alahelo hatrany anaty fony Indrisy mantsy lasa ireo Andry sady Toky Ka sentosento lava ny fiainan'ny kamboty Mipitrapitra eny e,malotoloto akanjo Ny sakafo izay harapaka tadiavina isan'andro Eee, mihinana ihany kanefa tsy mba voky Tena fihafiana ny fiainan'ny kamboty Ireo havana nandrasana ho tonga hampahery Atao ahoana moa fa ninia ny tsy nijery Mainka aza nandatsa sy sahy nanosihosy Mafy anie ka mafy ny fiainan'ny kamboty Dify ny hazavana nitaratra ny fiainany Tsy eo intsony i Dada sy Neny fitarainany Ka tsy misy hanambitamby,nilaozan-drotsirotsy Tomany vao maraina ny fiainan'ny kamboty Ry mpiara - belona o, miangavy antanandroa Andao re hifanampy,andao hifanasoa Aza latsaina intsony fa ampio re izy ireny Fa mafy tena mafy ny nilaozan-dRay sy Reny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/david-mpikalo/mena-masoandro
Mena masoandro
David Mpikalo
F'iny masoandro iny no madiva hamonjy fodiana. Ny eto kosa singan-drery mahatsiaro olon-tiana. Velona embona anao ka midongy ho vangiana. Fa banga anao ny harivako, miandrandra fifaliana. Dia iny faravodilanitra iny, no anembonako anao, Ianao zay lavitra ahy tsy fantatro akory Nefa tsy afaka ato an-tsaiko isanandro zao, Indrindra moa fa ny alina rehefa matory. Ilay angolangolanao no mibitsika ato am-poko! Babeko an'eritreritra, mifantsika ato an-dohako! Ilay rotsirotsim-peonao malefaka no miako an-tsaiko. Hanofy mamy anao, izay no sisa ho antenaiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-nambaranao-ahy
TSY NAMBARANAO AHY
AORN
Nisy olona nandalo Sy niserana aninkeo Nitovy loatra taminao Na fiteny na fihetsika... Toa somary kaodikaody Te hamantamanta-javatra Fa ny nahazendana ahy, ny fijeriny tsy miato 'Lay sarinao nihantona etsy… Fa tsikaritro ihany koa Ny masony nanganohano Toa mitory alahelo Tsy haiko aloha izay tena heviny... Fa ny tena azoko antoka Mbola misy zava-miafina Mipetraka ho mistery Tsy nambaranao ahy Fa koboninao irery Asa…mandram-pahoviana angaha No hamantarako ny marina Mikasika anareo roalahy?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ventso/amidiko-ny-foko
Amidiko ny foko
Ny ventso
Amidiko ny foko Amidiko ny foko Amidiko tsy lafo izay mety takatrao ; Izy aloha tsy lainga fa tsy fo vaovao … , Efa niatrika ady fa mbola afaka mitempo ; Ka sahinao ohatrinona ; fa omeko re mba ho ento . Amidy izy fa ; Izy aloha lazaiko fa marefo sy marary , Ka mila olon-kafa anie raha toa ka alainao ; Tsy maninona fa afaka atakalo fo vaovao . Fa ity aloha teny kely eh ! Izy io ange indraindray somary maditraditra ! Ka aoka izay haka azy mba olona mahavita ? Ataoko fa io foko io mantsy toa sarotra hanarina . Ka izay no tena antony handefasako azy Izy aloha tsy afeniko fa efa tofoky ny ady ! Tsy mifidy na inona na inona ; na ratsy na ho tsara , Raha vonona ny haka azy ianao mbola ato izy aza tara .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amjra-praise/ireo-vehivavy
IREO VEHIVAVY
Amjra Praise
Haiko ianao fa bandy nefa mba mianara ihany hoy aho manaja ireo vehivavy mantsy ianao ty toa miridana tsy tana intsony koa ka mahonena ilay mba ravaka fa lasa very zo haiko ianao fa bandy fa kosa ireo vehivavy dia tsy sanatria famelaka fa ireo fanambitamby io no voninkazo izay mandravaka tanàna dia aza avela halazo f'io koa no fahazavana hahatonga anao tsy hiraparapa ao anaty haizi-kitroky ny nenina sy latsa ary fitaka mandifotra ka manomboka androany dia meteza ianao hiova sy hanaja ireo vehivavy fa ireo no tena lova mety, angamba ianao hoe tsy manana anabavy fa kosa manan-dreny izay niteraka nibaby ka nahatonga olom-banona nikiry nanabe, nampitafy sy nampianatra izy na dia hoe mahantra dia nanao izay mba takatra mba anamporofoiny hoe hafa ihany ny vehivavy hafa ihany hoy aho ny fony. Eny haiko ianao fa bandy fa aza atao ho setriny ny ditra sy rongony fa mendrika azy ny haja hajao ireo mba zony f'ianao no ao am-pony fa tsy akory ianao raha lohany dia hibitaka, etsy indray hitratrevatreva eroa ka hampitondra izay mahamay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tetezana
TETEZANA
Fredy Jaofera
TETEZANA Indro ny fankaherezana ka aoka tsy hiahotra rehefa tanana : ny vavaka no tetezana eo amin'ny tahotra sy ny fiadanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/ianao-lay-tena-namana
Ianao lay tena namana
Frederic Rnf
Ianao lay tena namana tsy mba manavakavaka Na dia fantatrao ary fa mahantra ny tenako Tsy misy an'iza itarainana sy mba ianteherana Fa dia miady irery amin'ny ity hamafin'ny fiainana Ny manodidina mankahala sy mandrora ahy Fa ianao kosa tsy mba nanao toy reny Niaro sy nitantana ahy tamin'ny lalana nalehako Niaritra eso sy latsa ary fanenjehana maro be Raha sendra narary ny tenako dia indro ianao fa teo Nitondra teny fampaherezana sy tambitamby Nikarakara nisahirana nanao izay ahasitrana ahy Nikely aina nandany vola sy fotoana teo amiko Misaotra anao aho ry namako tsy foiko Tamin'ireo soa vitanao tamiko ireo Maro loatra izy ireo ka mety tsy ho voavaliko Fa ao lay Andriamanitra hamaly fitia ho anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/madagasikara-sy-ny-voary-ny
Madagasikara sy ny voariny
Frederic Rnf
Maro ny firenena manana ny voariny Fa i Gasikara Nosintsika tsy mena mitaha Tsy ho resin'ny maro fa dia manana ny lanjany Raha resaka voary no ho jerena sy ampitahaina Manana ny voary maro izay mampiavaka azy sy ireo vokatra voajanahary toy ny lavanila Izay afaka mifaninana amin'ny firenena maro Afaka mijoro atao fitaratry ny hafa ihany koa Madagasikara ilay Nosy maitso tsy manavaka Ankafizin'ny maro amin'ny fananany voary miavaka Izay mandalo dia miraikitra toy ny tsipolitra antitra Ka malahelo sy misento raha vao hariva ny andro fa sambatra raha samy sambatra hono Tsimbazaza Fa manana voary maro tsara sy ny lazany Fa sambatra raha samy firenena i Gasikarantsika Fa afaka mamatsy vokatra azo avy amin'ny voariny Raha misy tokony ho arovana, tsy aleo ve miaro ny Tontolo izay iainana ? Raha misy firenena mahasahy milaza fa manan-karena vatosoa Dia lazao izy fa i Gasikara ihany koa no tena manana ny soa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kintanny-natiora/veloma
Veloma
Kintan'ny Natiora
Veloma ry ilay saika hiantahantana Veloma masina raha toa ka tsy hitoetra Nataoko ho vato mba azo hiantefana Kinanjo nandratra fa tsy mba nitsetra Fa ny eto tsarovy tsy hanozona akory Ary koa sanatria tsy handray ho fahavalo Izay vita dia sitraka enti - matory Ny ambiny kosa dia nofy mandalo Ny fo mantsy na tsy nisambatra firy Dia tsy afaka hiazona izay tsy tamana Satria manan’elatra izany tsiriry Ka lasa nisosa sy niova fitàna Raha nahita ny akanga nambabo ry Lala Dia aza manahy fa omeko tso drano Soavadia rehefa vonona hiala Fa hiandry eto foana ny akoho tama-trano Hay moa izaho no voafitaka hatrany Sy jamban’ireny fitia sarisary Nataoko ho tantely hivimbina mamy kinanjo tangena misalotra fary kanefa sakaiza tsy tsiny na fondro Aoka iny hivalona raha tsy tontosa Fa ny eto dia hiandry ny anjara voatondro Sy izay tena Malala hisambarana kosa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/vavaka-20
Vavaka 2.0
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Tompo o Mba fenoy fitia ny foko Hahay mizara ilay fitiavako Amin' ny maro mitoloko Dia reo rako sady havako Ampodio antsaiko foana Ny atao hoe fitsitsiana F' any ho any misy noana Sy mizaka tsy fisiana Ataovy tsapako ombieny Fa be sy maro ireo tomany Miaina fahoriana ireny Nefa izaho aty hifaly Tsy, tsy haiku ny hahavita Hahita ranomaso latsaka Amin'olo antampitrisa Izay mahantra sy mangataka K' ampianaro aho ry Raiko Hanam-po mitsetra ireny Ahitsio ny fo sy saiko Hahay hahafoy na dia hoe kely Amin' ireo mahantra ireo Izay napetrakao ho adidiko F' izy ireo dia zanakao Izay ilay vavaka finidiko Amen!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raintah/zoky
Zoky
Raintah
Zoky ô Aiza ho aiza re no misy anao eh? Fa tena mijaly loatra ireto havanao Miaina anaty fahantrana lalina moa ve izany tsy hitanao Miangavy, mitalaho aminao re mba hanavotra izato tanintsika izao Zoky ah! Fantatrao moa ve fa zara raha miaina sisa, eny miaina ihany fa mandohalika sy mandady Indrisy ehn firenena mihitsy no mitady hivarina any an-kady Fa toa manjaka sy miha-mahazo laka ny fitondrana jiolahim-boto Mampifandrafy, toa maniry mafy hisian'ny adim-poko Fa dia nahoana loatra re? Aiza ho aiza ianao no misy anao ry zoky mba hampiray fa toa efa miharihary loatra ilay tsy fahadiovana Tsy hita intsony ilay fihavanana fa lavitry ny fitsinjovana Toa ireo tsy marina indray no mahazo laka mampijaly sy mampihorohoro Ka ny fiainana avy no manjary lasa torotoro Zoky ah Mila anao anie ireo vahoaka tsy mandady harona Mba hanafaka azy fa efa sasatry miarina Tongava re mba hanoro anay ny fahendrena Ka hampatanjaka anay ho lavitry ny fahalemena Aiza ianao zoky a Moa ve efa lasa sa mbola eto ihany Mipoira re fa mila anao ny tany Raha toa ka efa lasa dia miangavy re izahay, mba miverena Fa mila vonjy aminao ny firenena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-mifoha
NY MIFOHA
Fredy Jaofera
NY MIFOHA Hainao moa ny mandrara ny misy ho lavitry ny rofy ? Ny mifoha no fomba tsara hanatanterahana ny nofy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faby-ratsimba/mila-ezaka
Mila ezaka
Faby Ratsimba
Ny lalan-ko diavina Dia mila ezaka Ezaka izay hampandroso lalina Mba tsy hampiverin-dalana na koa hampitolefika Ny sampatsampana tsy maintsy misy Ny manalokaloka tsy maintsy ho dify Fa ny tanjona dia ny ho tonga Na dia lavidavitra be kitohatohatra amam-bonga Tombon-dahiny ny fananana foana fiaretana Sy ny hery, saina matsilo Mba tsy ho diso ny feo ny fieritreretana Rehefa mizotra ka tratran'ny tsilo Mila ezaka noho izany ny zavatra rehetra Na amin'ny lafiny inona na inona Fa ny tena atao tarigetra Dia ny ho tafita tsy hay tohìna
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/feno-haizina
FENO HAIZINA
NY Andri-Fara
FENO HAIZINA Hafahafa izany vanin'andro izany Sa izaho mihitsy no tsy maharaka ! Izay jerena maha fanina...., Mankaleo sangodim-panina . Mandeha ianao mba hizotra... Handeha fiara fitanterana Fa angaha misy te hahalala akory Fa ao anaty fiara no mifoka sy migoka !? Raha mba miteny ianao Vono sisa no tsy ho azonao... Mitenena ange eee...Mahazo miala izay no valiny . Mifanenjika misongona mivilavila any an-kady Olona no entina , angaha raharahiana akory . Ny lalàna izay navoaka indrisy nampirimina Ireo vola tambim-pandikana tsy hita nanjavonana . Izay ilay haizina manarona Haizina hanarona satria ny hita toa tsy hita Mameno ny tanàna henika adalana . Ireo mpitandro filaminana ....Hampilamina Sa hamingavinga haka izay tsy anjarany . Foana ny kitapo satria nisy naka izay hampidirina ... Fokontany tsy milamina samy maka ho azy Henika adalana mikorontana ny rariny ? Izay ilay Haizina manarona Haizina hanarona . Ampandrianomby ; 12.03.2024 = 10H Ny Andri-Fara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/hajanoko-ho-nofy
Hajanoko ho nofy
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Hajanoko ho nofin'ny torin'ny marainako Izany hasambarana niriko ho anilanao Ho foanako ny tanjona ambon'ny fisainako Hiova lalan-kafa tsy misy dia-nao. Hajanoko ho nofin'ny torimason'ny alina Monja ihany sisa ny te hahita anao Fa toeran-kafa indray no irosoako lalina Dia fonenan-kafa tsy hahitako anao. Hajanoko amin'ny nofin'ny tsy fahatongavan-tsaina Ny hanambatambatr' ora hamisavisa anao Fa tanjona hafa indray raha tonga ny maraina No efa ho banjiniko, tsy misy sarinao. Fa ataoko nofinofy sy tanjona tratrarina Ny handroso samirery, tsy miankina aminao Ny ambony indrindra iray, 'zay tiako ho takarina Dia fiainana mizotra, tsy anaranao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/drafitra
DRAFITRA
Fredy Jaofera
DRAFITRA N'inona n'inona re, roky, ny ezaka hamparanitra tsy hitrangan'irony jafa, ny olona izay matoky ny drafitr'Andriamanitra dia tsy manana hafa !...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mitia/dada
Dada
Mitia
Mitomany mangina amin'ny andro sasak'alina Miredy am-pitoniana ireo zay nofinofiny (ho an'ny sombin'ny ainy) Fa fanirian'ny fony ary sitrany ho lalaina Ny zanany mba hendry mitovy ny an'ny sasany Rehefa hivoaka ny trano,dia mianjaika akanjo raitra Miaraka eny an-tanana ny finday hiaka farany Izay ny nofinofiny ho entin-janany mianatra Arahina kitapo lafatra aok'izany Izany sy izany no fanirian'i dada amin'ny menaky ny ainy Ho tony, hilamin-tsaina amin'izay rehetra atao Ho toy ny an'ny hafa :ny fitafy sy ny tariny Ka tsy hitsanga-menatra eny izaho sy ianao Mivoaka maraina tsy mody raha tsy maizina Miasa tsy misasatra, mba hahatsara ny zanany Tsy mahalala reraka fa miasa tsy an-kijanona Ny hany ao an'eritreriny "dia ny sombin'ny ainy" Koa asakasakao tsy hanaja azy ireny fa mafy tena mafy ny jaly izay iaretany Koa izay eritreritrao tsy hamaly babena Fa ireny no nataony dia tam-pitiavana.......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafintsalama-josefa/ilay-dobo
Ilay dobo
Razafintsalama Josefa
Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa: ny morony tontolo, zozoro manga taho; anivony, tatamo mivela-bony soa; ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana; ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho; tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana; vivy no miria eo fa miery tsimilaho. He! dobo tsara loatra, mamelombelona aina, fa laokan-drano maro no ao mihahohaho: amalona sy trondro, mangata-koalaina; ny patsa dia mihaika ny tanan-tsy mivaho; tsindrahaka mitady izay olona mpitia; irony ondrindrano, antsirina aman-toho mpahery mitsoriaka sy fatra-piriaria dia haza mora alaina, tsihifina an-tandroho. lo dobo kely iroana, ka soa dia soa tokoa; ny rano e dia tsara ka manga ny zozoro; ny vonitsiazonafo, dia manga mena soa; miharo eo ny tsara sy ny meva ka manoro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/avelao-hiraraka
AVELAO HIRARAKA
AORN
Rehefa injay mandrahona Sy matroka ny andro: Hanorana izy izay... ka ialohavan’erika manify mifanesy hamonto tany hay Ny foko koa mazàna Raha sendra mba mangorana Na koa mamelovelo... Hirotsaka tsy ho ela Lay vongan-dranomaso Voasedran’alahelo Dia avelao hiraraka... Mantsy raha tsy izany Handrehitra herin’aratra Ny fo tsy mahatanty Raha toa ka tsy hitomany Hipoaka toy ny varatra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tohiny-madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitriny
TOHINY / Madagasikara : Ny Lasa sy ny Ankehitriny
NY Andri-Fara
TOHINY / Madagasikara : Ny Lasa sy ny Ankehitriny 1.4.1 Ireo soatoavina tsy afa-misaraka amin’ny Malagasy : Andeha aloha isika hijery manokana ny mahakasika ny : Ny Fasana : Azo atoa hoe lavitra ihany ny lalana nizorana mba hatongavana amin'izao fotoana izao raha mikasika ny fanantanterahana ny fasana teto Imerina no resahana sy dinihana . Tany am-piandohana ka hatramin'ny taon-jato faha 16 : 1501-1600 ; tamin'ny fotoan'ny vazimba, izay lazaina fa mponina voalohany teto Madagasikara, dia fasana ho an'ny olona iray monja ihany ; ary nosaromana vato teo ambony araka izay efa nolazaina tany aloha ; fa tsy nivalaparana fotsiny . Afaka atao hoe karazana fasana aniritra kanefa amin'izay ; dia tsy mitovy ny fomba fanaovana azy. Tamin'ny taon-jato faha 17 : 1601 - 1700 tany ho any dia fasana afaka handevenana olona roa ; ary raha lehibebe kosa dia hantonina vatan'ny olona miara monina ao anaty ny vondron’olona iray mihitsy izany . Tamin'ny taon-jato faha 18 : 1701 - 1800 ; dia afaka hahitana fomba avy any amin'ireo olona izay monina any Polynezia; Malaizia ary Indonezia ny fomba fanamboarana ny fasana teto Imerina; izany hoe misy totohatra kely eny ivelany miaraka amin'ny vato ; eo indrindra anefa no olana satria raha nanao fikarohana ny tenako ; dia hita fa nisy ihany fitovizana teo amin’ny fasana Betsileo sy ny hita any Indonezia ary maro tokoa ; saingy ny fomba no naha samy hafa azy . Hita eto Imerina na any Amin’ny Betsileo ireo fasana miaraka amin'ny vato mitsangana izay mitovy amin'ireo vato hita any amin'ny nosy Java sy any atsimo ny Somatra. Ny fasana dia manalavitra sy hita ao an-tanàna, fa matetika hita eny ivelany, eny an-tampon-tendrombohitra. Raha jerentsika ireto fasana ireto ; dia hita taratra fa ny mponina ao Iaritsena ao Ambalavao , mandalo na mitsidika ny valan - javaboaharin’ny Anjaha dia ahitana fasana vato mitovy amin’io hitanao amin’ny sary io ianao ; misy mandevina amin’iny toerana iny . Raha ny resaka mandeha ihany koa dia ahitana ireo olona efa maty fa mbola mandehandeha ihany koa any na koa hoe lolo vokatra (34). Izay raha ny mahakasika ny fasana no ambara . Fa maninona moa raha jerena fohy ny mahakasika ny fahafatesana Ny Fasana any Indonezia sy ny fomba fandevenana Fasana any Iarintseana Alakamisy Ambohimaha Tanimbary any Ambositra Fikarohana iray natao tany amin’ny faritra Menabe Famadihana Malagasy Famadihana any Indonezia Famonosana lamba ny faty maina , atao ivelan’ny fasana izany ; vao hampidirina Fanamarihana : Hoy Lanto Ravonjison : Ny famonosana faty dia tohatohanana filozofia sy izao karazana finoana rehetra izao, fa ny tena antony dia iray ihany: mba tsy hampiparitaka sy hampifangaro ny razana ao am-pasana. Io mantsy karazana hadison'ny razambe tany aloha tany ; ilay faty tsy atao anaty vatampaty rehefa alevina, fa fonosana fotsiny dia apetraka eo. Ny firenena sasany izao tsy mamatotra sy mamono izany satria tsy ilaina izany, atao ao anaty vatam-paty mantsy ny razana tsirairay. Fa ny antsika dia mila fatorana tsara, dia mila fonosina indray rehefa mamadika. …dia tohatohanana finoana ilay izy, kanefa io na atao im-pito, na in-tsivy, na ankasa na tsy ankasa, na ny vehivavy no mamatotra azy, na faralahy, n'izan'iza dia tsy misy dikany izany fa mitovy foana....Ny gasy dia fanatika mihitsy amin'ity resaka finoana ity. Tsy manao io fomba io intsony ny Kristiana sy ny Fiangonana sasany ; indrindra fa ny Fifohazana . Aminy rehefa maty ny olona dia maty ary tsy mifoha intsony raha tsy tonga ny faran’izao tontolo izao ; na ny fahatongavan’ny Tompo. Ny maty dia mankany amin’ny fanahin’ny fahafatesana ka tsy hanelingelina ny velona intsony fa matoa misy izany dia asan’ny devoly na satana . Ny ankamaroany izao ; dia tsy mamono lambamena intsony fa ny akanjony ihany no nampisalorana azy , asiana ondana = toin’ny olona matory dia apetraka amin’ny vata dia asitraka ary tsy fohazina intsony ny fahatsiarovana azy ; tsy azo kitikitihana intsony . Miandry ny fitsanganan’ny maty . Na izany anefa dia mbola maro ny Mpino Kristiana no manaraka io fomba iray io . Ny fasana avaratra : marika ny maha mpanorina ny vohitra : Vanim-potoana efatra samy hafa amin'ny toerana samy hafa eto Imerina : • Tao Antampon'Ambohidrabiby tamin'ny tapaky ny taonjato faha-16 = 1567 , ny mpanjaka Rabiby no maty taloha indrindra sy nalevina voalohany teo. Tato aoriana , nifindra nonina teo ny zafikeliny, ny mpanjaka Ralambo. Rehefa maty Ralambo dia teo atsimon'ny fasan'i Rabiby no nanorenana ny fasana ilevenan-dRalambo. • Tamin'ny taona 1610 rehefa nanafika an' Analamanga , ny mpanjaka Andrianjaka ; dia efa maty sy milevina tao antampon' Analamanga ny mpanjaka vazimba Andriampirokana. Koa teo atsimon'ny fasan'Andriampirokana, eo amin'ny toerana misy ny rovan'Antananarivo no misy ny fasan'ny mpanjaka Andrianjaka . • Ao Anosimanjaka tokony tamin'ny taona 1750, araka ny lovantsofina sasany dia Andriamahozobe Antehiroka no nanorina ny vohitra Aminampanga . Tato aoriana dia tonga nifindra-monina teo Aminampanga Ranavalotsimitoviaminandriana izay nanova ny anaran'ny vohitra ho Anosimanjaka. Eo akaiky eo atsimo andrefan'ny fasan'Andrimahozobe , ny fasan-dRanavalotsimitoviaminandriana • Ny Mpanjaka Andriamangarira no nanorina ny vohitr'Antsahadinta sy nanjaka tao tokony tamin'ny taona 1770. Nalevina teo ambony vatolampy ao Antsahadinta ny mpanjaka Andriamangarira Mbola ao izany ankehitriny.. Rehefa lasan'Andrianampoinimerina ny vohitra Antsahadinta tamin'ny faran'ny taonjato faha-18 dia teo atsimon'ny fasan'i mpanjaka Andriamangarira no nanorina ny fasana izay ilevenan-dRabodozafimanjaka vadin'Andrianampoinimerina nampitoerany teo . Fasan’andriana misy tranomanara . Fasana any Betsileo Na eo aza ny fanorenam-pasana ; dia tsy afa-misaraka amin’izany ny Trano Hoy ny Ntalo : Velona iray trano , maty iray fasana Ny Tanàna ambanivohitra Akany fonenana Any Isoavinandriana 1.4.1.2 Soatoavina sa kolontsaina ? : Ny Fati - drà : Ny Fati - dra ; dia fifanekena ataon'ny olona roa , tsy misy rohim-pihavanana, nefa te hanova ny fifandraisany maha mpinamana tsotra na maha mpifankahalala tsotra azy ho fifandraisana hamafisina amin'ny alalan'ny fandatsahana sy fisotroany ny ran'izy roa tonta, ka lasa fifandraisan'ny iray tampo izany fifandraisan'ny mpifati - dra izany. Ny Ziva : Ny ziva ; dia fihavanana nataon'ny razambe taloha. Saika mazana dia mpiziva avokoa no niavian'ny fihavanan'ny Malagasy manontolo. Ny ompa ifanaovan'ny mpiziva dia sangy anehoan'ny ny fifankatiavany. Ny foko mpiziva dia tsy maintsy mifanampy. Ohatra = Ny Antaisaka sy ny Betsileo . Ny Sambatra (35) : Ny sambatra ; dia famoran-jaza faobe atao any amin'ny faritra sasan-tsasany ao Madagasikara, indrindra any amin'ny foko Antambahoaka, mba ahafahan'ny zazalahy hiditra ho isan'ny lehilahy eo amin'ny fiaraha - monina misy azy. Isaky ny fito taona mandritra ny efatra herinandro no hanatanterahana izany. Ny Joro : Ny joro ; dia sorona sy vavaka atao hangataham-pitahiana amin'ny zanahary sy amin'ny razana mba hahazoana orana sy hahatonga ny fambolena ary fiompiana hahavokatra be, ny tsy hampisy mpisompatra sy mangalatra ny biby fiompy, indrindra ny omby. Angatahina mandritra ny joro koa ny fahasalamana sy ny fitomboan'ny zaza ary ny fahela-velon'ny olon-dehobe. Misy ny fafaovana sorona omby atao fanatitra. Fotoam-pifaliana mety maharitra hatramin'ny telo andro izany ho an'ny mpiara-monina. Ny Dina : Ny dina ; dia fanambaràna ampahibemaso ombam-pianianana fa tsy hivadika amin'ny teny nomena. Dina koa no iantsoana ny fitsipi-pifehezana ny fiaraha - monina neken'ny besinimaro. Fifaneken’olona maromaro ihany koa , ka mifanao dina fa tsy hifamadika . Ny Velirano : Ny velirano kosa ; dia fianinana atao ampahibemaso mba tsy hampisy ny hitsoaka amin'ny zavatra nifanarahana, amin'ny baiko nekena fa hotanterahina. Tamin'ny vanim - potoana faha mpanjaka dia maha tapa - doha ny fivadiham-belirano. Azo ekena fa mitovy ihany ny Dina sy ity Velirano ity , fa ny maha samihafa azy dia : Ny velirano dia fafazana rano arahana teny nifanaovana . Ny Tody = Heverina ho tena manana ny lanjany amin’ny olona iray na roa na maromaro . Raha tena fakafakaina anefa ; dia tsy misy izy io . Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina : Raha mpisiloky ianao ; mazava ho azy fa hisy olona any hisiloky anao ihany koa . Ny Tsiny = Na iza na iza ; dia afaka mifanozona sy mifanome tsiny , hany ka niteraka tahotra ho an’izay niharany izany , ka naleony nanao ny tsara hatrany . Nisy mantsy na tsara ataonao , na ratsy vitanao ; dia nahazo tsiny foana . Amin’ny Malagasy ny tsiny ; alevina madifotr’olona , avalana rano maria ary tsy miverina intsony . Ny Rariny = Fisaka izy io ary saro-tadiavina , mahometra ny fomba fitadiavana azy ankehitriny satria nanjakan’ny vola sy ny fahitahitana . Lasa reharehan’ny olona manan-tsiny mihintsy izany , ka manao izay tiany hatao izy ireo . Ny Hitsiny = Mitovy amin’ny tsy fahitana ny rariny ihany koa izy ity . Matetika anefa dia mahazo rariny ihany izay manam-bola , na hita izao aza fa manan-keloka , na tokony ho voaheloka ilay nanao na ihany koa ilay niharany . Ny Hasina = Andrianina , tovanana fahendrena sy fahamboniana ary ankatoavina ny manana azy io . To-teny ampanoavina ary omena hasina manokana . Ny Fanahy = Misy toetra takiana mba hahatratrana ny manam-panahy ; maromaro ny hevitra fonosiny : Very fanahy mbola velona ; misy fanahiana fa latsaka tanteraka ny maha olona ny olona , tsy tazana intsony fa lasa verivery saina ; ka mety hiafara amin’ny fahadalana mihitsy izany . Ratsy Fanahy ; Tsara Fanahy ; manao Fanahy iniana sy ny sisa e . Heverina fa ny olona iray ; dia mametraka azy ho ambony kokoa , noho izy tena manam-panahy . Ny Mpitandrina ; Ny mpanompon’Andriamanitra ; ireo mpitaiza aram-panahy ; ny Loholona sy ny miavaka amin’ny asa iandraiketany . Ny Tendry sy ny Vintana ary ny Lahatra = Manana ny lanjany manokana amin’ny Malagasy ireo , ary tsy mba heverina ho kindriandriana fotsiny , fa tena ninoana mihintsy . Ireo rehetra ireo ; dia mahavery Hasina ny olona anankiray na roa na maromaro , raha toa ka mamotsitra ny iray amin’ireo . Mametraka ny asan’Andriamanitra amin’ny olona misoloky ny Asany izany , ka mahatonga ny mpisoloky hivarotra ny zavatra na hevitra na fisainana ; tsy araka ny Sitrapon’Andriamanitra akory , fa noterana ho izy ary ekena fa marina . Ny mpanandro na ny mpamantatra ny hasim-bintan’olona dia matetika mamily ny rariny ho hitsiny . Ireny olona ireny dia fantatra amin’ny fomba fiasany satria tsy asany izany ; fa asan’Andriamanitra . Tsy vitsy ny olona na mpino an’Andriamanitra izy na tsia ; kanefa dia mampiasa an-kitsirano fotsiny izao , ho fitaovana handemen-tsaina amin’ireo olona manodidina azy . Tsy ratsy ireo averiko tsara , tsy ireo no ratsy , fa ny fomba fampiasana na ny nampiasaina azy ho amin’ny tombontsoa manokana no nahavery hasina azy ireo (36) . 1.4.1.3 Ny fivavahan-drazana Malagasy : Ny fivavahan - drazana Malagasy : dia ny fivavahana sy ny finoana narahin'ny Ntaolo malagasy, izay mifototra indrindra amin'ny fivavahana amin'ny Zanahary sy ny fanahin'ireo razana efa maty. Mihoatra ny 52% n'ny mponina no manaraka ny fivavahan - drazana , izay fivavahana manantitra ny fifandraisan'ny velona sy ny maty ( razana ). Tsy misaraka amin'ny tontolon'ny velona ny tontolon'ny razana izay ivavahana ; ka izany no ahitana Malagasy manao fomba isan - karazany amin'ny fanamboaram - pasana sy amin'ny fanatanterahana ny famadihana hamonosan-damba indray ny maty sy handevenana azy indray aorian'izay. Ireto avy ny zavatra inoan'ny Malagasy mandala ny fivavahan - drazana ho manana ny hasiny : ny sampy ; ny ody ; ny hazomanga ; ny vatolahy ; ny karazan - kazo sasany ; ny karazam - biby sasany toy ny omby . Ireto ny zavatra tsy hita maso nefa inoany fisiana: ny Zanahary ; ny fanahin'ny razana ; ny kalanoro ; ny tromba ; ny avelo ; ny matoatoa . Mba ho fanajana an'ireo fanahy ireo ; dia manatanteraka fanatitra sy sorona, ny Ntaolo malagasy. Ho fanajana ireo havany efa maty ; dia manao famadihan-drazana na manao asa lolo ny Malagasy. Ny misahana ny fandraharahana ny fifandraisana amin'ireo fanahy tsy hita maso ireo ; dia ny mpisorona, ny mpitana hazomanga ary ny ombiasa. Inoan'ny Ntaolo Malagasy ho manana hery miafina manimba ny mpamosavy. Manatona mpanandro koa ny Malagasy, izay mino ny fisian'ny atao hoe vintana, raha hanao zavatra mba hahaizany ny fotoana mety hanatanterahany ny zavatra kasainy hatao sy ny fombafomba tokony hatao, ka mety misy ny ala faditra. Manatona mpisikidy koa ny Ntaolo malagasy raha te hahafantatra ny marina ny amin'ny zava-mitranga eo amin'ny fiainany. A. Ny Fitampoha : « Ny fitampoha na fampandroana ireo dady » Ny teny hoe fitampoha dia avy amin'ny mitampoka izay midika hoe mampandro raha any amin'ny faritr'i Menabe, faritra andrefan'i Madagasikara izay misy ny vondron'olona Sakalava. Izy io dia fomban-drazana Sakalava entina hankalazana ny fampandroana ny taolam-balon'ireo dady, na mpanjaka tany Menabe teo aloha. Ny taolambalo voalaza eto dia tsy taolana fotsiny irery ihany fa misy koa zavatra hafa miaraka aminy toy ny nify, volo, ary hohon'ireo dady. Tehirizina ao anatin'ny trano masina iray antsoina hoe zomba, izay miorina any Belo Tsiribihina, ireo taolambalo ireo ary misy olona tendrena manokana hiambina azy , ka ilay mpiambina irery ihany no mahazo miditra ao anatin'ny trano masina. Araka ny fomba Sakalava ; dia ny fampandroana ireo dady , no fepetra ahafahan'izy ireo mahazo ny anarana masina hoe razana , ary eo amin'ny renirano masina Tsiribihina no anaovana ny lanonana. Taloha izy io dia ankalazaina isan-taona mandritra ny volana Asaramanitra amin’ny volana Jolay , ankehitriny kosa anefa ; dia ankalazaina isaky ny folo taona. Tsy vitan'ny hoe ampandroina amin'ny fomba miavaka ny taolambalon'ireo dady fa mbola ampiasaina koa ny fitaovana manokana toy ny tantely sy menaka ôliva miaraka amin'ny karazana savony vita amin'ny zavamaniry antsoina hoe fihositry. Ny fianakavian'ny mpanjaka ampian'ny mpitahiry ny taolambalo , no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fikarakarana ny lanonana saingy mandray anjara daholo ny foko Sakalava iray manontolo indrindra amin'ny fitsinjarana ny fandaniana rahetra. Mamono omby eo amin'ny roapolo eo ho eo ry zareo , ka hozaraina amin'izay tonga manatrika ny fety . A.1 Iza avy moa ireo Mpanjaka ireo : Ireo mpanjaka tany Menabe = Sivy no isan'ireo mpanjaka tany Menabe dia ireto avy: Andriamisara Andriamandresy Andriamihamigna ( Andriandahifotsy ) Andriamanitrarivo Andrianilainarivo Andriatoharanarivo ( Rain'i Toera ) Andriamanotroarivo ( Narova ) Andriamandrainarivo ( Resaotsy ) Andriamihoatsiarivo ( Rain'i Kamamy ) Ny taolambalon'ireo mpanjaka ireo : izany hoe ilay taolana, nify, volo, ary hoho ; dia fonosina ao anaty kitapo iray miaraka amin'ny nifim-boay natao sambobelona , ary antsofoka ao anaty vatabe vita amin'ny vy alohan'ny hitehirizana azy ao anatin'ilay trano masina zomba. A.2 Politika sa Fivavahana : Azo lazaina ho karazam-pivavahana ny fitampoha satria ; dia io no fomba entina hivavahana sy hanompoana ireo razana, ary io irery ihany no karazam-pivavahana fantatry ny foko Sakalava taloha. Misy lafiny ara pôlitika koa izy io satria ny tanjona amin'ny fankalazana dia ny haneho ny hery sy fahefana avo ananan'ireo dady. Mandritra ny lanonana ; dia misy karazan'olona idiran'ny fanahin'ireo dady. Lazaina fa voan'ny bilo ireo olona ireo, ary avy amin'ny alalany no ampisehoan'ireo dady ny fisiany sy ny heriny. Raha izay lafiny izay no jerena ; dia azo lazaina koa fa fomba sy fotoana iray ifaneraseran'ny velona sy ny maty ny fitampoha. A.3 Ny maha-zava-dehibe ny Fitampoha : Ireto avy ny anjara toeran'ny fitampoha eo amin'ny fiaraha-monina: Mampihavana izy satria terena hifamela heloka ireo olona manana adiady rehefa tonga ny fety ; ireo mpivady nisaraka koa dia terena hifampody sy hiverina any an-tokatranony avy . Mampihaona ireo olona rehetra ao anatin'ny vondron’olona izy , satria tonga manatrika eo daholo ny olona rehetra ankoatr'ireo izay tsy mahazo alalana ihany : ohatra ny andevo . Mampifandray bebe kokoa ny fianakaviana izy , satria araky ny voalaza tetsy ambony dia mandray anjara daholo ny rehetra amin'ny fikarakarana ny fety. A.4 Ny anjara asan'ny tsirairay mandritra ny fitampoha : A.4.1 Mialohan'ny lanonana : ***Mandritra ny fety : Ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina azy no tena manana anjara andraikitra be eto. Ireto avy ny andraikitr'izy ireo : o Manangona sy mitahiry ireo fanomezana. o Manangona ireo fitaovana izay tsy nampiasaina tamin'ny lanonana. o Mandray ireo omby natokana hatao joro. o Miantoka ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana. *Ireo Fadifady =  Ireto avy ireo fady tsy azo atao amin'ny andron'ny fitampoha:  Tsy azo atao ny mandevina raha misy olona maty.  Ireo olona misaona dia tsy mahazo manatrika ny fety.  Fady ny mangalatra ireo zava-masina toy ny taolam-balon'ireo Dady. *Fandaharam-potoana mandritra ny Lanonana ao Belo : Andro Voalohany = Mipetraka eo ambony tsihy, eo amin'ny lafiny atsimo andrefan'ny zomba, ireo vahiny nasaina amin'io fotoana io. Ho fanentanana ny olona dia misy andiana lehilahy avy amin'ny foko Marotsiraty-Makoa , mively karazana amponga antsoina hoe hazolava izay manana halavana eo amin'ny iray metatra eo ho eo. Ny lehilahy sasany mitsoka ny maromogny, ny vehivavy kosa manao karazan-kira mitohitohy antsoina hoe kolondoy , mba handromboana ireo bilo na tromba, (37) ary misy amin'ireo taranaky ny mpanjaka manapoaka basy. *Fanokafana ny zomba = Olona avy amin'ny fianakavian'ny printsy ihany no manana alalana hamoha ny varavaran'ny zomba. Rehefa mivoha ny zomba dia miditra ao anatiny ny printsy sy ilay mpiambina ny zomba ary ny lohavotsy. Avy eo dia mandohalika ny iray amin-dry zareo mangata-pitahiana sy famelan-keloka ary manao fianianana amin'ireo dady. (38) Andro Faharoa : *Ny Takitaky = Manomboka ny Zoma maraina ny fetin'ny takitaky. Izy io indray dia fomba entina hankalazana ny fanolorana ny fanatitra sy fanaovana ny joro (38). Omby lahy iray mazava loha no safidiana ho vonoina amin'izany ; ary zaraina amin'ny olona nasaina ny hena rehefa vita ny joro. Alohan'ny hamonoana ilay omby dia mbola misy fombafomba tsy maintsy atao entina hiantsoana ireo razana tany aloha. Rehefa vita kosa ny joro dia mivonona ny olona rehetra hilahatra ho any Ampasy, toerana iray eo akaikin'ny renirano Tsiribihy. Ireo mpibaby Olona manokana antsoina hoe mpibaby no mitondra ny taolam-balon'ireo dady mandritra ny filaharana mankany Ampasy. Tsy maintsy mahafeno ireto fepetra manaraka ireto ny olona iray vao azo ekena ho mpibaby : Ny mpibaby dia tsy maintsy taranaky ny iray amin'ireto olona ireto : Andrambe ; Tafimbesakoa ; Mifora ; Andrivola ; Miavotsiarivo ; Sikily ; Betanimena ; Tsibitiky ; Manonahy ary Befitaky. Ny dadan'ny olona mpibaby dia tsy maintsy efa maty satria ; raha mbola velona ny dadany ; dia ilay dadany no tokony ho mpibaby fa tsy izy, Ny olona mpibaby dia tokony tsy olona kilemaina. Ny filaharana mankany Ampasy Ny fizokian'ireo dady dia tsy maintsy hajaina mandritra ny filaharana mankany Ampasy. Izany hoe ny mpibaby ny taolam-balon'Andriamisara no mandeha voalohany, arahan'i Andriamandresy dia mitohy hatrany mandram-pahatonga any amin'n'Andriamihoatsiarivo. Lehilahy iray antsoina hoe fanalolahy, taranaky ny miaramila mpiady tamin'ny andron'ny mpanjaka taloha, no mialoha lalàna ireo mpibaby. Mitondra karazana basy antsoina hoe sagay izy. Ao aorian'ireo mpibaby no milahatra ireo olona mitondra ny zava-masina. *Fandaharam-potoana mandritra ny lanonana ao Ampasy : Rehefa tonga ao Ampasy ny mpilahatra dia ahantona amin'ny hazo antsoina hoe mijoha ny taolam-balon'ireo dady satria fady ny mametraka azy ireo mivantana eo amin'ny tany. Ambonin'izany, ho fiambenana azy ireo sy ny zava-masina dia apetraka ao anatin'ny trano lay voatokana izy mandritra ny fankalazana, ary asiana mpiambina. Ny fety ao Ampasy dia maresaka kokoa noho ny fety ao Belo, ary maharitra herinandro iray mahery. Mitohy hatrany ny hiran'ireo vehivavy mandritra ny fotoana rehetra. Misy hetsika ara-sosialy maro hafa koa miseho amin'io toy ny moraingy sy dihy. Andro mialohan'ny fampandroana = Antsoina hoe valabe io fotoana io. Misy zavatra somary hafahafa sy mikorotandrotana be ihany mitranga mandritra io fotoana io. Azon'ny olona roa atao ohatra ny manao firaisana ara-nofo na ; dia tsy mpifankatia akory aza izy ireo (39), ary tsy voararan'ny lalàna anefa izany. Misy mihitsy aza andinin-dalàna izay milaza fa azo atao ny mijangajanga aorian'ny fitampoha ( lalàna lah 62 - 089 1/10/62).(40) *Andron'ny fampandroana = Alohan'ny hanombohan'ny lanonana dia mivory ao anatin'ny trano iray antsoina hoe trano fotsy ny olona rehetra. Misy solontena iray avy amin'ny foko Menabe mandray fitenenana misaotra ny mpitondra fanjakana eo an-toerana nanome alalana hanaovana ny fitampoha, ary valian'ireo mpitondra fanjakana amin'ny alalan'ny kabary izany fandraisam-pitenenana izany. Rehefa vita ny kabarin'ny mpitondra fanjakana dia mandroso moramora ireo mpibaby mitondra ireo Dady mba hampandroana ao anatin'ny renirano masina Tsiribihy. Rehefa tonga hatreo amin'ny tenda ny halalin'ny rano izay vao tena manomboka ny fampandroana, izany hoe ilay fanasana ny taolam-balo amin'ny savony vita amin'ny zava-maniry antsoina hoe fihositry . Rehefa vita ny fampandroana dia mamonjy kianja malalaka ny olona rehetra. Ahantona mba ho maina ny taolam-balon'ireo dady alohan'ny hametrahana azy indray ao anatin'ilay trano masina. A.4.2 Fiafaran'ny fankalazana : Taloha ny fetin'ny fitampoha dia mifarana iray andro aorian'ny fampandroana ireo dady. Ankehitriny kosa dia mifarana herinandro ao aorian'ny fampandroana sy ny fanamainana. Ambaran'ny mpanjaka amin'io fotoana io fa tokony miverina any Belo amin'izay ny olona rehetra. Alohan'ny tena iverenana anefa dia mbola misy omby iray vonoina ary zaraina amin'ny olona nanatrika ny henany. *Fiverenana makany Belo = Vonona ny hiverina any Belo amin'izay izao ny olona rehetra. Raisin'ny mpibaby ireo Dady ary manao faribolana izy rehetra alohan'ny hitarihany ny filaharana. Rehefa tonga any Belo ny mpilahatra dia averina apetraka ao anatin'ilay trano masina indray ny taolam-balon'ireo dady, ary ho famaranana tanteraka ny fankalazana dia tondratondrahana rano mangatsiaka ireo mpibaby sy ireo olona misy tromba mba ho firariana azy ho ela velona. Rafaralahinandriana Fiandrianam-panjakana Malagasy Governora tany Mahavelona 1.4.1.4 Ireo lalao fahagola . Efa hatry ny ela ny Firenentsika no nilalao ; ary nanana karazany maro dia maro tokoa . Vokatry ny tany ary tsy nindraminy na ihany koa , nentiny avy any amin’ireo mpifindra-monina . Izany kilalao izany dia voafatotry ny vanim-potoana samihafa nitranga teto amin’ity Nosy ity . Ny ankamaroan’ireo kilalao ireo dia nolalaovin’olon-droa na maromaro , ka tsy nifidy salan-taona ; fa na zaza izy na ankizy ; na tanora ihany koa dia nivondrona niara-nialalao avokoa . Izany dia efa nahatsapana ny firaisan-kinan’ny zanaka malagasy fahizay . « Izay tsy milalao sain-kanina » . Maneho ny tsirairay na anehoan’ny hafa fa mpanavakavaka na tsy mahazo milalao ny zaza na ankizy na tanora , miaina sy misaina toy izany . Maharary ny ankizy ny ambara fa « Izay tsy milalao sain-kanina » , hany ka tsy misy fotoana tsy hilalaovana . Izao fikarohana kely vitako izao , dia tsy natao hisehosehoana na hireharehana , fa natao kosa hamerenana ny soatoavina indrindra indrindra ny kolontsaina tovozina amin’izy ireny . satria nandratoana fahendrena . Ny kilalao mantsy amin’Ny Ntaolo ; dia dingana iray ho amin’ny ho avy ; eo mantsy no hanefena sy hitarafana ny tena ho aviny , ka arakaraka izay kilalao ataony no hanintsiana azy na hanoroana azy tsy hirona amin’ilay lalao tiana nefa tsy mendrika azy . Ohatra : raha lehilahy izy dia tsy mety aminy ny kilalao natao ho an’ny vehivavy . Teo amin’Ny Ntaolo mantsy dia karazana fiheveran-draharaham-panjakana sy ny tokantrano ary ny raharam-pokonolona ny kilalao ; vokatr’izany dia hita taratra eo ny ho avin’ilay zaza na ankizy na tanora miaina amin’ilay kilalao , satria ny mpitazana no mitsara ny rahatrizainy . Mety ho lasa mpanjaka ; olona ambony na manam-pahefana tsy refesi-mandidy na bonaika loatra ; mahafehy tokantrano na ho mpikorotan-dava sy ny maro hafa e ; lasa lavitra eo amin’ny fiainana ihany koa . Tsy nisy kilalao nefa natao ho an’ny ankizy kanosa sy kitahorina , tsy nozarina tamin’izany izy ireo , fa ny kilalao mahery setra no tena maro . Raha ny tena nisian’ny kilalao mlarina teto amin’ity Nosy ity ; dia ankeviny tany ho any amin’ny taona 1300 (41), tany ho any , na talohan’izany . A.1 Inona avy ireo kilalao ireo : « Avy mangataka . Ny Katro . Ny Fanorona . Iza iry ambony iry . Ny Tolona . Ny Kiombiomby . Ny Tanisa . Ny Raboka . Ny Fanenjika . Ny Tso-bato . Ny Karajia na mampiady Karajia . Ny Tsikonona . Ny Fangalam-piery . Ny Rari-vato . Ny Mampiady Ravina .Ny Fampitaha . Ny Diamanga . Ny Tolona . Ny Vokovoko . Ny Savika . Ny Ohabolana na Ankamantatra . Ny Moraingy . Ny Harendrina . Ny Mampiady Hira . Ny Raosy Jamba . Ny Fandraribola . Ny Tandrimo . Ny Fanala Fia . Ny Soamiditra . Ny Latsi-tanana . Ny Dihy Soroka . Ny Fanampoahana Karavasin’omby . Izay tsy mikipy tsy asiana . Ny Vikina . Ny Tantara Vato . Ny Ampongaben’ny tany . Ny Sarasara ry Mpanjaka .Maro izy ireo fa ireo no tena fantatra . » A.2 Ireo manamarika isaky ny vondron’olona : Mialohan’ny hanambarana ireo kilalao tsirairay na miaraka ; dia tsara aloha ny maneho fa ny : « Avy mangataka . Ny Katro . Ny Fanorona . . Ny Tolona . Ny Kiombiomby . Ny Tanisa. Ny Tsikonona . Ny Mampiady Ravina .Ny Fampitaha . Ny Diamanga . Ny Tolona . Ny Savika . Ny Ohabolana na Ankamantatra . Ny Moraingy . Ny Harendrina . Ny Mampiady Hira . Ny Raosy Jamba . Ny Fandraribola . Ny Tandrimo. Ny Fanampoahana Karavasin’omby . Izay tsy mikipy tsy asiana . Ny Vikina . Ny Tantara Vato . Ny Totohondry » no tena nalaza ary samy mby amin’ny faritra niaviany avy . Ny Avy mangataka : Teto Imerina sy Betsileo ; ny taona 1240 , tany ho any Ny andaniny = Avy mangataka izahay …Izahay ….Izahay Ny Ankilany = Iza re no alainareo ….alainareo …alainareo . ( Toy izao no fanao azy . Ny andaniny mpangataka , mandroso mandroso , manantona ny ankilany angatahana ; sady mampiakatra ambony ny tongony no mifampitantana . Ny ankilany angatahana kosa , dia manao dia mihemotra , avy eo manantona ka mamaly ny andaniny no mampiakatra ny tongony ihany koa ; sady mifampitantana . Dia toy izany hatrany mandra-pahatapitra ny teny ifamaliana .) Ny andaniny = I Naivo no alaina no alaina ….No alaina Ny Ankilany = Amin’ny firy ny fotoana ny fotoana …Ny fotoana Ny andaniny = Amin’ny telo no fotoana no fotoana ….No fotoana Ny Ankilany = Apetraho re ny didinareo sy ny dakanareo sy ny didinareo Ny andaniny = Ny didinay dia efa mipetraka , efa mipetraka mandrakizay . ( Manomboka eto ny tena kilalao . Mifanao andaniny roa , ary asiana soritra manasaraka ny roa tonta . Tsy voatery hitovy eto ny mpilalao ; ary misy lehilahy sy vehivavy . Misy matanjaka sy malemilemy . I Naivo no voatondro hangatahana eto ka mijoro eo amin’ny soritra . Ny andaniny mpangataka kosa mitady ankozy mafy noho ilay angatahana . Dia mihoraka samy mampahery ny azy . Mifampisintona eto no atao ; ka izay mihoatra ny faritry ny hafa no maharesy ; dia manampy ny maharesy izy ; tsy mijanona ny lalao fa mitohy hatrany mandra-paha nisy resy . Ny resy eto dia tsy misy ankizy intsony ny andaniny na ny ankilany .) Ny Ankilany = Izay mahery vanjo manta , izay osa tanalahy o . Ny andaniny = Manao teny mampahery sy manandrohandro / O Rakoto a o sy izao ataony eo , handreraka ny mpifanandrina aminy . Rakalavavy a o …. Ity kilalao ity dia mitovitovy amin’ny hoe : Ny Mpabjaka . fa ny teny ifandimbiasana no tsy mitovy . Teto Imerina , ary ny taona 1430 ; kosa . Ny Vahoaka = Sarasara ny mpanjaka ; avy taiza Ny Mpanjaka = Hanao inona ? Ny Vahoaka = ( Mamaly izay tiany eo ) Ny Mpanjaka = ( Toy izany koa ) { Vita izay teny hifamaliana eo , dia manao boribory ny ankizy na ny tanora ; ka ny mpanjaka no atao ampovoany ….dia manontany hoe ) Ny Vahoaka = manondro ny lohan’ny mpanjaka , no miteny hoe : Inona no ao anatin’ity ? Ny mpanjaka = Fanjaitra Ny vahoatra = Inona no ao anatin’ny fanjaitra ? Ny mpajaka = Kofehy Ny vahoaka = Inona no ao anatin’ny kofehy ? { dia toy izany hatrany no atao . Amin’ny farany dia mifanenjika eo }(42) Ny Katro : Teto Imerina sy Betsileo no niandohany tany ho any amin’ny taona 1500 - 2023 , tany ho any . Afaka ataon’ny rehetra , saingy olona roa ihany no milalao azy ; fa ny sasany kosa mijery izay mangalatra . Lavahana amin’ny lohana fanoto ny tany ka lavaka 12 no atao . Misy soritra ampovoany ka ny lavaka enina andaniny ary ny enina ankilany ; fenoina vato tsiroaroa avy . Mifanaraka izay handeha mialoha ; raisina ny vato roa dia apetraka eo alohan’ilay nalana na eo aoriany ; bataina hanjary efatra ny vato ka afindra toy izany foana ; ka raha iray sisa no vato mitoetra eo amin’ilay lavaka tsy misy vato ; iny no atao hoe mandry . Raha lany kosa ny vato eo an-tanana ka mifanandrify ny vato ny ankilany dia alaina ny azy hanampy ny anao . Misy ny mahay azy satria ny lavaka betsaka vato no atao hoe : vary be menaka , tsy havela ho lasan’ny hafa ; fa zaraina . Ny Tso-bato : Ahitana azy avokoa ny faritra sasany teto amin’ny Nosy : 1768 - 2023 . Lalaon’olon-droa , ary vatokely namboarina boribory tsara dimy no isany . Misy ny atao hoe : ara-ray ka hatramin’ny ara-folo any ho any . Ny tanana no miasa eto ka arakaraka ny fiandohany no ifehezana azy , ka raha latsaka ny eo amin’ny tanana mihohoka no fanaovana azy , fa tsy ilay mivelatra akory dia an’ny hafa indray . Ny Fanorona : Ny taona 1589 - 2023 , tany ho any ary ny faritra rehetra mihitsy no nanao azy ity . Kilalaon’ny mpanjaka sy ny zokiolona fahizay . Soritana ihany koa , ka misy ny fanoron-telo ; sivy ary dimy . Misy ny atao hoe miala vela ihany koa . Olona roa no tena milalao azy fa ny mpanotrona mampiady fotsiny sy hilokana . Ny Merina sy ny Betsileo no tena havanana aminy . Rehefa tsy afa-bela dia mitohy ny ampintson’iny ny lalao ary namoizana fanjakana mihitsy ny telo noho ny dimy . ( Fanjakana Betsileo . Ambositra ) . Ny Fampiadiana Biby : 1834 . Teto Imerina no niandohany vao nandroso tany amin’ny faritra ivelany . Ny mpanjaka Ranavalona I ; no tena tia azy , ka ny Omby no tena nampiadiana ary nanana omby maro tokoa sy natanjaka izy (43) . Tanalahy ; Angely ; Famakiloha ; Ganifa ; Akoho ; Voay ; Mamba , na ireo biby hafa azo ampiadiana ; fa ny Omby sy ny Akoho no tena nalaza . Inoako fa haintsika io . Tso - baton’ny Ankizy Kilalao kodiarana Bisikileta Fanenjika Lalao Fanorona Katro Lalao rari-vato Lalao kivarivary na tsikonina Ny Mampiady Karajia ; Ankamantatra ; Ohabolana : Ny faritra rehetra ; Ny taona 1500 , tany ho any no tena nampalaza azy sy nampivelatra kokoa , satria tsy mbola nisy ny soratra nifampitaizana ka ireo no hita fa hanitatra ny saina . Matetika ny lehibe efa zokiolona no mitarika azy ity fahiny ; fa ankehitriny dia ny kilonga indray no manitatra azy sy mamorina . Lalao iombonana izy ity ary tsy mifidy salan-taona . Tsy fanao ny maraina na ny atoandro kosa ; fa rehetra harivariva mena masoandro iny na ihany koa lalaovina rehefa diavolana ny alina . Mifampitaona eo an-tokontany ny rehetra ary tsy miala eo raha tsy hisakafo indray . Ny saina no tena milalao eto ary mampisaina . Ny Mampiady ravina : Talohan’ny taona 1789 - 1910 ; no tena nampahery sy nampahavitrika ny ankizy . Mifampitaona ny zaza na ankizy na ny tanora ; eny misy zatovo sy lehibe mihitsy aza . Ny mpinamana no mandeha mitady ravin-kazo eny rehetra eny , ary misy lasa lavitra mihitsy , manongotra ny tsy ananan’ny hafa . Vita izay dia mifanantona ary vonona ny hampiady ravina . Ohatra : Mampiseho ravin’akondro ny ankilany dia mamoaka ravin’akondro ihany koa ny andaniny , raha tsy manana , dia izay no atao hoe resy ka isa iray no azo . Ifandimpiasana ny mamoaka ravina mialoha . Ravina ihany eto no nifaninanana . Ny Tsikonina na Kivarivary ary ny Harendrina = Talohan’ny taona 1589 - 1999 , Talohan’ny fanjakan-dRalambo tsy mbola nisy izany ; satria hialohavan’ny fetin’ny fandroana no nitsirian’ny hevitra . Ny ankizivavy no tena manao azy ity ary fandrahoana vary tena vary sy laoka tena laoka eto no resaka . Ny Kivarivary kosa dia efa taty amin’ny taona 1925 , hatraty no tena nivoarany ; ka tsy tena vary no natao fa kosa fotaka avokoa ( Mofomamy ; Voninkazo no laoka ; tsinjaory no atao menaka rehefa totoiana tsara , izay rehetra hita no lalaovina ; mody ho hanina fa tena hanina akory )Tsy afa-misaraka amin’izany ny harendrina ka afo no lalaovina eto , na io atao anaty kapoaka misy jiro na izy io tena fanala mihintsy . Ny Fampitaha : Ny taona 1822 - 1898 , ka ny ankizy vavy no tena manao azy . Ampanaovina fitafiana vita amin’ny ravin-kazo , ampiarahana amin’ny firavaka voahangy na ny nifim-boay ny zazavavy eto , asiana manjarano ny tarehiny . Atao avokoa izay maha tsara tarehy azy ; ka izay betsaka mpihoby no maharesy . Mova tsy irony mpifaninana Miss irony ankehitriny . Efa ela ny Gasy anefa no nahafantatra ny hatsaram-bika . Ny lehilahy ; dia mikarakara ny ankizy vavy . Ny Rari-vato : Ny taona 1875 ; ary teto Imerina no niandohany vao niparitaka Olon-droa hatrany ary misy ankizilahy samy ankizilahy na ankizilahy sy ankizivavy no milalao . Manao antotam-bato ambony dia ambony ny andaniny ary mifandimby manao ny azy . Misy mifangaro io vato io ; ka kelikely na lehibe no ampifanindriana hifanaingina . Izao no fanao azy = Maka vato iray ny andaniny ; ka rehefa afaka tsy mihetsika ny vato manindry azy na ihany koa tsy mampirodana ny antotambato dia tohizany hatrany izany ; fa raha vao misy mihetrsika dia ny hafa indray no manohy . Izay isam-bato azon’ny tsirairay no mandresy . Ny Fanenjika ; Ny Fangalam-piery ; Ny Raboka : 1897 - 1996 . Kilalao iombonana ary ahitana zazavavy sy zazalahy ; ny tsirairay no mametra ny isa farany ambony hilalaovana . Mitovitovy kosa ny fitsipika hampiharina amin’ireo lalao ireo / Ny Fanenjika ; dia mitady ankizy iray natao hanenjika ny maro , ka tsy misy tanjona izy ity ; fa raha mitady ho tratrany ny mpanenjika ny henjehina ; dia mipetraka haingana ; toy izany koa ny Raboka ; ny mampiavaka azy amin’ny fanenjika kosa dia ny manenjika dia afaka atao maromaro . Ny Raboka kosa dia izay tratrany dia mifindra aminy ny habokana ; dia manenjika indray ny boka vaovao . Misy toerana tsy azon’ilay boka hisamborana kosa izy ity . Mamaritra toerana ny tsy boka ary tsy azon’ilay boka kitihana mihitsy izany . Fangalam-piery ; misy miafina dia tadiavina… Ny Soamiditra : Ny Fiandohan’ny taona 1800 - 1992 . Tany ho any : Mitambatra milalao azy ny lehilahy sy ny vehivavy eto ; Misy telo na roa samy manana namana iray avy no mijoro , mifampitehaka tànana , sady mihiura hoe , soamiditra oo, mandrosoa a …..Milahatra lavabe ny ankizy amin’io ary miditra tsirairay ao ambanin’ny tànan’izy roa mifampitehaka . tsy tapitatatr’izay dia misy resaka hifanaovan’ireo mifampiteha-tànana amin’ireo mandroso tsirairay ka rehefa vita izay resaka nataony teo dia mamonjy mitazona ny akanjon’izay tiana hotazonina ny ankizy tsirairay ; dia toy izany hatrany . Ny Mampiady hira ; Latsi-tànana ; dihy : Ny taona 1769 - 1992 . Efa hatramin’izay ny Ntaolo no efa tia nihira ; mahavita mitety tanàna mihitsy ny tanora sy ny zatovotovo manafika hira sy mampiady izany . Mampiady hira no atao ary misy mitsara izany . Ny Afindrafindrao sy ny Hiragasy no tena nimasoana . Tsy afa-misaraka amin’ny dihy izany ary indrindra ny latsi-tànana izay fanao teto Imerina . Ny diavolana no fotoana hanaovana azy . Ny taona 1962 no mankaty dia ny mampiady hira amin’ny fiandrasam-paty no maro mpanao ary mahavita mijery ireny mana-manjo ireny ny tanora , ary seho mandra-maraina . Rosoina kafe sy ravim-boafotsy ary mofo izy ireny . Mifandimby ny mpiventy hira amin’ny fahoriana . Tsy misy hoe , Havana izy ireny ; fa tonga ao kosa izy hampiady hira sy hanala ny alina amin’ny fiaretan-tory . Kilalao tsy nahitako fikarohana izy ity , saingy efa ela no nisiany teto ; inoana anefa ; fa tany anindran-tany no tena nafana ny filalaovana azy . Ankizy mbola vatony no milalao azy ; ary tsy mifidy na lahy na vavy . Manao boribory izy ireo ary eo am-povoany misy ankizy mifatotra lamba ny masony . Mihira izy ireo : Raosy Jamba o!Raosy Jamba…Raha mahita ianao o! Fantampantaro ny anarany o! Ilay Jamba kosa dia mamantatra hoe : Iza avy ireo ankizy milalao ireo , amin’ny alalan’ny : Fofona ; Feo ; Halavana ; ny volony . Mitsatoka izy ka raha fantany dia misolo azy indray ilay ankizy . Lalao Tanisa Soamiditra Lalao Kanety Lalao Tolona Tantara atao amin’ny vatokely Lalao Baka Filesy Ankizy milalao telefonina Tso-bato ankehitriny Izay tsy mikipy tsy asiako : 1878 - 2000 , fa efa nisy talohan’io ny kilalao ; saingy nihalefy vao nipoitra tampoka . Mitovy amin’ny Raosy Jamba ity kilalao ity ; fa teo amin’ny sori-dalao no maha samihafa azy . Tsy mifidy ny hilalao azy izy . Manao boribory ny ankizy ary mipetraka amin’ny tany no miondrika . Eo ivelany kosa misy ankizy iray mihodidina mandeha miadana no mitondra lamba na zavatra eny an-tànany ; sady mandeha ihany izy no miteny hoe ; izay tsy mikipy tsy asiako o , izay tsy mikipy o . Miondrika tampoka izy mametraka ilay zavatra teny an-tànany ; no miteny ilay hira teo aloha ; ka raha tonga eo amin’ilay ankizy nisy ilay zavatra napetrany dia mihoraka izy ka misolo azy mihodidina indray , dia mitohy ny lalao . Ahoana no ahafantarana fa misy mametraka zavatra ao aoriana ? Tsy afaka mitodika ao aoriana ny ankizy fa miala avy hatrany tsy manohy ny lalao . Mila mailo ka fantarina hoe misy mametraka zavatra ao aoriananao ao . Ny Vikina ; Vintsilia ; Jomaka ; Sabaka : 1670 - 2000 . Ahitana azy aty any Azia sy any Eropa , saingy tsy mitovy ny endriny . Ny fomba filalaovana azy kosa dia mitovy ; satria atoraka izy ity dia miverina amin’izy nitoraka azy ihany . Somary maherihery setra ity kilalao ity . Lehilahy aloha no tena milalao azy ity . Eny an-tendrombohitra no filalaovana azy ary atsipy na atoraka midina dia mivilivily eny ambony eny . Fiadiana mahomby ihany koa no fanao azy , ka izay voany dia miampanampana . Ny vokovoko ampadihizana amin’ny tady dia tsy mitovy aminy . Ny Gorisagorisa ; Kalesa ; Lalao kodiarana : 1400 - 1989 .(44) Ny Gorisarisa : Toerana avo tsy misy manohitohina no mety aminy , ary tena mahariva andro sy tsy ahatsiarovana sakafo mihitsy ; matetika lavitra tanàna no tena ankafizana ny hilalaovana azy , mba hialana amin’ireo mpiantsoantso . Hazo malama ivohiny na vatan’akondro no mety ; ary hipetrahana dia hitaingenana dia migorisarisa any ambany any . Mety handratra ity kilalao ity ka ny lehilahy no tena milalao azy . Ny Kalesa : Mitovy amin’ilay Gorisagorisa , saingy misy kodiarana telo na efatra fotsiny dia tsy miakatra na midina no filalaovana azy fa atosika . Ny iray manosika ary ny iray na roa kosa atosika . Hifandimbiasana ny fomba hilalaovana azy . Ny manan-katao moa dia mahavita endrika fiara amin’ny kalesin-janany , fa ny tsy manana kosa dia tsotra ny azy ; ary tsy mivaky loha amin’izany ; fa rehefa mandeha ny kalesiny dia izay . Lalao kodiarana : Tena ankafizin’ireo ankizilahy tokoa izy ity ary mbola hita hatramin’izao ; maka kodiarana fiara efa simba na izay kodiarana rehetra dia mety avokoa ; mandeha tsirairay kosa no filalaovana azy ary samy manana ny mpilalao. Na izy natao hifaninanana na izy hifanenjehana . Asiana hazo na kofafa no fitondra azy ka asiana rano ao anatin’ilay kodiarana , k any kapoaka atao ao anatiny satria atsofoka ao ny hazo na kofafa ; dia atosika amin’izay . Sarasara ianao Mpanjaka : Ny taona 1654 . Ny Vahoaka : Tsaratsara ianao ry mpanjaka, mifanateran’ny ambanilanitra, Ny Mpanjaka : Avy taiza? Ny Vahoaka : Avy tany an-tsaha Ny Mpanjaka : Nanao inona? Ny vahoaka = ( Dia manao mîme eo izy , ohatra = miasa tany ) Ny Mpanjaka = ( dia ianao maminavina izay ataony . miasa tany na mifanohitra ) Izay betsaka point no maharesy . Mila zaza roa farafahakeliny, tsara raha mihoatra ny 4 Manakaiky rindrina . Tanjona: Izay tonga voalohany eny amin’ny rindrina no maharesy. Mijanona eo anoloanan’ny rindrina ilay ankizy manao « mère », ny rehetra kosa mihataka alavitra azy (20 pas ohatra). Manontany ny ankizy: – « Mère veux-tu? » Mamaly i « mère »: – Oui, mon enfant. Dia manohy ny ankizy: – Combien de pas? Mailaka i « mère » mamaly : – Un pas de géant (3 grand pas), na « un pas de fourmi (2 petist pas) na un pas de serpent (mandady). Dia manaraka izay lazain’ny « mère » ny ankizy, izay tonga voalohany no manolo an’i « mère ». Polisy sa Vôlera ? = 1982 - 1990 Kilalao mifanenjika izy ity. Mila zaza 10 eo ho eo na isa mitovy. Zaraina ekipa roa, ny iray polisy, ny iray volera Tanjona: Mampiditra am-ponja ny volera – Manisa 15 ny polisy dia lasa miparitaka ny volera. – Rehefa vita izay dia manenjika ny volera ny polisy, – Tapitra ny lalao rehefa any am-ponja daholo ny mpangalatra Ankizy mihirahira eto ny kilalao = Nankaiza Margerity ok ok …. Nankaiza Margerity ok ok , ry Sakaiza ….Angalaina vato iray , ok ok ….angalaina vato roa … Vato iray ve dia mba ampy ok ok … Mandihiza rahitsikitsika : 1776 - 2000 Mampandihy soroka izy ity, mankeo afovoany ny iray dia manao izay dihy mahafaly ny fony. Ny sisa kosa mitehaka sy mihira manodidina azy. Mifamadibadika ny ankizy dia izay be mpitehaka no maharesy. Kasikasy kapoaka ; Ankiafinafina = 1976 - 2000 Kilalao fahiny rehefa diavolana iny ny andro ny kasikasy kapoaka. Tsy nisy tsy nilalao azy raha mbola zaza malagasy koa! Mandeha mihaza kapoaka aloha ny rehetra na mangalatra ny kapoakam-bary ao an-dakozia (tsy atao hitan’i Neny fa bedy). Rehefa hita izay dia mitady izay atao boka! Matetika dia ny zandriny foana no atao boka satria ny zoky efa fetsifetsy. Na koa afaka manisa « 27 dia boka » dia izay tratra farany no boka! Kilalao ankiafina izy ity saingy asiana mpiambina kapoaka fotsiny. Io mpiambina kapoaka io no boka ary io no mandeha mitady ny rehetra. Rehefa mahita mpiafina izy dia miverina mandona ny kapoaka sady miteny ny anaran’ilay hitany sy ny toerana. Raha misy kosa anefa mpiafina tsy hitany fa naharesy azy ka mandaka kapoaka dia maty ny kapoaka ary mijanona ho ilay boka hatrany no boka mitady eo! Ny Ankiafina kosa dia tsy mampiasa kapoaka fotsiny , fa mitovy ny fomba filalaovana azy . Ny Ara-jiro : 1969 - 1999 (45) Matetika ny zazalahy no manamboatra sy milalao azy . Kilalao fahiny izy saingy mitovitovy amin’ny kilalao sinoa atao hoe « Toupie » vita malagasy izy ary namboarina amin’ny hazo , ka ny fantsika no afantsika amin’ilay hazo namboarina boribory . Mampiasa kofehy lavalava afatotra amin’ilay fantsika dia ahodina , ary atsipy ka miodina mafy . Ankehitriny dia efa ampiadiana ny tandrimo . Izay tapitra fiodinana no resy na izay simba . Lalao kalesa Lalao kanety vato Karana Lalao Raosy Jamba Fandraribola Lalao Margerity Kilalao mbola misy ankehitriny izy ity Lalao any Inde any izy ity Izy ity kosa dia kilalao hita any Chine Ny Tanisa ; Iza iry ambony iry ; Isa ny hisatra ; Isa ny Amontana : 1687 - 2000 Ny Tanisa = Ny Ankizivavy no tena mankafy azy ity , mitady vato na hazo na zavatra hafa azo atao tanisa , tanisaina amin’ny tànana . Ampifandimbiasana amin’ny tànana roan y vato ary atao ambony ka zar ankinarinarina . Iza iry ambony iry = Izy iry ambony iry o ; izaho ihany ity o ; maninona any indriko ; izaho mikotrika atody o ; firy ny atodin’indriko o ; telo sy efatra ihany o ; mba omeo iray aho akia ; raha mba mikotrika indry ; mikotrika ihany aho fa tsy mahavanona …Ny akoholahy mitsoka mozika ; ny akohovavy manao ….Ny Isa ny hisatra sy ny Isan’ny Amontana ; kosa dia sady lalao no fomba fanisa fahiny . Lalao vahiny nampidirana teto Madagasikara izy ity . Manampoatra papango amin’ny lamba tsy lena na taratasy misy refiny ny ankizilahy . Maka kofehy dia ampifanohizina dia miandry rivotra . Mifanao andaniny sy ankilany ny ankizy ary mifarimbona eo ny zazalahy sy zazavavy . Manao soritra am-povoany ka mifampisintona amin’ny tady . Izay mihoatra ny faritra na manitsaka azy no resy . Mitovy ny isan’ireo mpandray anjara fa ny hery sy ny tanjaka ary ny taona no tsy mitovy . Inona ary izany kilalao izany , fa tsy “ Pista ” = Maka kodiarana fiara ny ankizy dia mandoro izany , ka rehefa may avokoa ny fingotra dia misy vy boribory miala ao , dia iny no atosika amin’ny vy lavalava mifaraingo hanosehana azy . Kiombiomby : Ny taona 1700 , tany ho any ity kilalao ity ary tsy nifidy zazalahy na zazavavy , fa niarahana nilalao = Misy ankizy iray atao solona omby , fatorana tahaka ny omby izy io ary tarihana amin’ny tady . Kilalao tsy nifidy saranga ihany koa ; fa andriana na mpanompo dia nilalao azy .Mitovitovy amin’ny kiombiomby vita amin’ny tanimanga ihany koa . Teo amin’ny Fanjakana Sakalava : ( Andriamandazoala . 1540 ) Ny Moraingy , izay hifanandrianan’ireo tovolahy sy tovovavy ; na ilay antsoina hoe : Fanorolahy sy Fanorovavy no resaka eto . Faritana boribory ny kianja . Ahitana azy ity ihany koa , teo amin’ny Fanjakana Antakarana ( Ny mpanjaka Kozobe . 1600 ) . Ny Betsimisaraka ( Ratsimilaho . 1650 ) sy ny fanjakana Tsimihety . Hitangoronan’ny olona ny mpifanandrina ary tena mifamely tsy misy mifampitsitsy mihitsy ; saingy tsy mahazo mamely ny lavo ambany kosa . Efa misy olona iray natao hitsara ny ady . Ny Diamanga na ny Tolona sy izay mitovitovy aminy dia niparitaka nanerana ny Faritra sasany . Mitovy ny fitsipika ampiasaina ary tsy mahazo manao an-dolom-po . Ny Savika kosa ; dia mbola ny Betsileo no nilalao azy ary efa misy vevivahy ihany koa sahy . Ny taona 1600 , tany ho any no tena niatombohany . Faha Ramanandroavola tao an-tampon’ny vinany no nahitana azy voalohany ;(46) tao Ambositra . Efa nisy ny Savik’omby saingy tao an-dapa ihany aloha no nilalaovana azy ; fa tamin’ny andron’ny mpanjaka Andriambatsatsa sy Andrianatavy V ( 1680 - 1830 ) izay fanjakana tao Manandriana , nefa nahenika ny Fanjakana Betsileo manontolo dia ny tao Alananindro ; Lalangina ; Isandra ; Vohibato ; Homantsazo ; Fisakana ary Fandriana . Rah any savik’omby no resahana ;dia ahitana azy io any amin’ny Firenena Espana ; saingy tsy olona tahaka ny eto Betsileo ny azy fa arahana fitaingenana soavaly ihany koa , misy anefa eny anelakelan-trano no hanaovana fandrangitana ny Omby masiaka izany any ivelany any . Tsy mba toy izany ny Savika Betsileo fa ny zatolahy no miady amin’ny omby masiaka ka misy fefy na fahitra na lempona no miady amin’ny omby , na izy io hitambaran’ireo fanorolahy matanjaka na tsirairay ka rehefa lavo ny omby no atao hoe , vita ny ady . Adinonao angaha ny Ampongaben’ny tany ? 1.4.1.5 Ny hira sy ny mozika ary ny dihy a, Ny Gadon - kira Malagasy : * Salegy : Ny salegy ; dia mozika sy dihy ; izay nipoitra avy amin'ny faritra avaratra sy avaratra andrefan'i Madagsikara. * Baoejy : Ny baoejy na bahoejy ; dia karazana mozika avy any avaratr'i Madagasikara, indrindra ny faritra Sofia no tena mampalaza ny baoejy , ary efa miparitaka eran'ny nosy. Ny zava - maneno miaraka aminy ; dia ny angorodao sy ny kabosy ary ny hazolahy. Efa misy koa ny mpanan - kanto no mitendry baoejy amin'ny gitara. * Ny Kilalaky : Ny kilalaky ; dia mozika avy any amin'ny faritra atsimo andrefan' i Madagasikara. * Ny Tsapiky : Ny Tsapiky ; dia mozika malagasy avy any amin'ny faritra atsimo andrefan'i Madagasikara. * Ny Zafindraony : Ny zafindraony ; dia karazan-kira malaza any amin'ny faritry ny Betsileo zay vokatry ny fiezahan'ny Malagasy hampifangaro ny fomba fihira vazaha sy ny an'ny malagasy, tamin'ny nidiran'ny fivahana kristiana teto Madagasikara, ka ahenoana olona maro mihira sy mizara feo voalohany, faharoa, fahatelo ary fahefatra . Matetika ny hira fifohazana , ao amin'ireo Fiangonana prôtestanta izy * Ny Sareba . Ny Horija : dia Hira Betsileo * Ny Sôva : Betsimisaraka, Tsimihety, Merina, * Ny Tôkatôka : Betsimisaraka, * Ny Jijy : Tsimihety, Antakarana *Ny Antsa : Sakalava * Ny Beko : Tandroy * Ny Baheza : Tandroy *Ny Marakely : Betsileo * Ny Kalizy : Sakalava * Ny Sarandra : Faradofay * Ny Kolondoy : Toliara *Ny Talily : Tandroy * Ny Osiky : Sakalava * Ny Isa : Betsileo * Ny Fampanononana : Merina * Ny Tapatono : Merina * Ny Rasavôlana : Betsimisaraka ; Betsileo * Ny Sokela : Betsileo * Ny Afindrafindrao .(47) * Hira gasy : Ny hiragasy na hira gasy dia fampisehoana atrehin'ny vahoaka izay mitovitovy amin'ny tantara tsangana , na teatra atao an-kira. Ny hiragasy dia fitambaran'ny feon-javamaneno (trômpetra, trômbônina, lokanga, sns) sy hira ary dihy mampiavaka ny kolontsain'ny faritra afovoan-tany eto Madagasikara, indrindra ny Merina. Atao ankalamanjana na anaty efitrano ny fampisehoana. Matetika dia mitafy malabary miloko mena marevaka sy mipataloha ny lehilahy mpanao hiragasy, fa ny vehivavy kosa mitafy lamba sy akanjom-behivavy miloko mavokely na maitso. * Ny dihy : Ankoatra ireo hira hiraina tery aloha dia misy ny dihy miaraka aminy, izay mifanaraka amin’ilay gadon-kira . Singanina manokana kosa ny : ilay hira Majunga sy ny dihy Kadrila : Iza hoy ianao no namorona azy io ? tsy iza fa ny mpanjaka Radama II ; Izy dia mpitendry Piano ikoizana ary ny misionera no nampianatra azy izany . Iray tarika amin’ny dihy afindrafindrao ihany io dihy Kadrila io , ka ny zanak’andriana sy ny tandapa ihany no nahazo niantsa sy nadihy azy tao an-dapa tao . (47) Basesa : Ny basesa dia karazan-dihy salegy ; Beko ; Malesa ; Kaoitry ; Batrelaka ; Vakisaova ; Banaiky ; Mangaliba. *Ny Zavamaneno malagasy : Ny Ambio = Ny ambio zavamaneno malagasy vita amin'ny hazo mafy roa izay mikarantsana rahefa ampifampikapohina ; Amponga ; Atranatrana ; Belamaky Jejy voatavo . Ny Kabosy = Ny kabosy dia zavamaneno malagasy. Mitovy endrika amin'ny gitara ny kabosy saingy kely . Katsà na Faray ; Kililioka ; Langoraony ; Ny Lokanga = Ny lokanga dia zavamaneno fahita ao Madagasikara . Ny vondron’olona an’i Bara no niavian' ny lokanga. Mitovitovy amin' ny lokangam-bazaha ny lokanga saingy telo ny isan' ny tadiny. Ny Marovany = Ny marovany dia zavamaneno malagasy mitovy amin' ny valiha nefa lehibe sady misy tadiny maro noho ny valiha. Ny Sodina = Ny sodina dia zavamaneno tsofina amin' ny vava, toy ny fantsona mahitsy, misy lavaka milahatra manaraka ny halavany izay tampenana manontolo amin' ny rantsan-tanana afa-tsy ny iray izay avela hivoha mba hivoahan' ny haavompeo tiana ho heno. Amin' ny teny indôneziana dia atao hoe suling ny sodina. Sosoly . Ny Taralila = Ny taralila dia karazana angorodao fahita any amin' ny faritry ny Betsimisaraka. Tsikadraha. Ny Valiha = Ny valiha dia zava-maneno malagasy vita amin' ny volontsangana, miendrika varingarina sady misy tadiny maro manaraka ny andavany. 1.4.1.6 Ny Fomba Fitafy : Fitafiana malagasy nentim-paharazana ny lamba ary tsy nisaraka taminy teo amin'ny fiainana manontolo. Na ny zava-boahary manodidina aza nahitan-dRamalagasy lamba avokoa : lambam-bary hoy izy milaza ny akofa, lamban-goaika no ilazany ny zavatra tsy manam-piovana hatramin'ny nahary azy. Lamban'akoho ny zavatra tsy misy fisarahana, lamban'angidina ny zavatra maivana na manify. Ny lazaina hoe lamban-tsoavaly kosa anefa dia ny lamba apetraka eo ambony soavaly hotaingenina. 1. Ny tantarany : a) Ny Fitafian'ny Merina : Ny lamba no fitafiana malagasy nentim-paharazana ary tsy nisy nisaraka taminy teo amin'ny fiainana manontolo. Ny lamba fitafy Malagasy dia azo sokajiana anisan'ny zavakanto nentim-paharazana iavahan'ny Malagasy. Tamin'ny andron'ny Andriananamponimerina dia ny fomba fiankajon'ny vehivavy merina dia ny " tohitena ". Manao lamba " landy " no tena mahavahana an'izy ireo. Ny lehilahy kosa dia ny "malabary". * Ny Lamba : Ny lamba dia nifatohan'ny saina sy ny fon'ny Malagasy tokoa satria nisasarany ny fanamboarana azy, ary kolokoloiny fatratra izy io. Ny lamba hono raha vao dia rehareha, raha madio dia voninahitra, raha tonta dia adidy, raha rovitra dia andraikitra. * Misy efatra karazana ny lamba : - Voalohany : ny Lamba sarika , kely fa tsy mivitrana nefa tsara tenona, lamban'ny tovovavy io ka nahatonga ny hoe : “ Raha tovovavy tsy endrehin-damba sarika , dia tsy adidiko tsy adidin-dreniny”. Tsy adidin'izay mijery ny hiteny aminy hoe : “itafio tsara ny lambanao” ary tsy adidin-dreniny koa satria efa nisahirana nanenona ny lamba izy , fa ny tenan'izay mitafy no tsy misampina azy araka ny tokony ho izy. - Faharoa : ny Tokan - dela , lamba tsy mivitrana , an'ny vehivavy lehibe satria asampina eo an-tsoroka fotsiny mandrakotra ny faritra ambony amin'ny tena. - Fahatelo : ny Ambakiloha na kely ila, izay lamba mivitrana fa kely sy lehibe , atao hoe Ambakiloha, satria lamba lava sy fohy no akambana ka mitohy ny ila loha lamba mba hampitovy ny halavany. Rehefa mitafy azy dia ny ilany mitohy no atao ambony. Misy zaitra roa na telo ny Ambakiloha ary atao hoe tohiloha koa noho izy notohizina ny ila loha-lamba mba hitovy halavana. Raha itaizana zaza ny lamba tohiloha dia voasintona matetika ka mora mivaha ireo zaitra maromaro amin'ny ila loha-lamba. - Fahefatra : ny lamba tsara indrindra sady lehibe , dia ny lamba mitovy Vitrana, lamba mihajan'ny lehilahy lehibe. Ny lamba tsara indrindra fitondran'ny vehivavy , haingo eny imasom-bahoaka dia ny lamba rongony madinika, na ny landy notelomina ho somary mena mazavazava sady mivaha rambo. - Ny Landy : Manavanana ny malagasy manokana ny tenona landy. Ny vita avy amin'ny landy dia ireo karazam-damba lafo vidy. Misy ny arindrano, ny telo na efa-bitrana ka mitsoriadriaka ny lambanany afovoany. Ankehitriny dia fitafin'ny vehivavy Malagasy mihanjaika ny lamba landy. Mendrika hanjairana akanjom-behivavy na lehilahy ara-damaody ny landy ary tsy mena-mitahy amin' izay vita avy any ivelany. Ny landy dia avy amin'ny tranon-dandy, didiana hiala ny soherina ao anatiny dia tanehina miaraka amin'ny lavenona , rehefa masaka dia sasana eny amin'ny rano misy vatolampy hikosehana azy. Rehefa maina ny landy dia lenoina indray ka ahahy ho maina, ary folesina hanjary kofehy madinika. * Ny fomba fitafy ny lamba : (48) - Sampin-kavanana: izany hoe asampina avy andamosina, ahatona eo an-tsoroka ka avela hikiraviravy , ny tanana havia amin'izany mihazona ny ilany avy eo anoloana. - Sampin-kavia: Mifampisolo ny tanana, ny tanana havia no manasampina ny lamba hiankavanana. Ny sampin-kavia no hizaran'ny olona tia haingitraingitra. lambam-behivavy tsara indrindra ny sora-damba somary mena tanora mazavazava sady mivaha rambo. Tsy afa-misaraka amin’ny Malagasy , izay misy vondron’olona valo amby folo mihoatra , ny fomba fitafy . Izany ihany koa ; dia tsy misaraka amin’ny : Salaka ; Satroka ; lamba hisalorana . Ny lamba malabary ihany koa dia akanjo fanaon’ny teto Imeina sy ny Betsileo . Ny lamba landy sy ireo fitafy mihaja fahagola dia nahenika an’ity Nosy ity tokoa . Na dia teo aza ny fitafiana , raha ratsy endrika dia tsy naneva izany ka nataon’izy ireo voalohany indrindra ary tena nandaniany fotoana , ny fanatsarana ny endrika amam-bika . Inona ary fitaovana nampiasainy ? Teo ny tany ravo ; tanimanga sy ny manjarano . Nanao tombokavatsa ihany koa ary niravaka voahangy sy ireo metaly notrandrahana : Volavotsy , volamena ary varahana . 1.4.1.7 . Ny Sakafo : Anisany nahafantarana ny Malagasy ireo nahandro Gasy ary mirakitra ny maha izy azy ny Firenena mihitsy izany . Ireo sakafo ireo dia nanjary kolotsaina raiki-tapisaka amin’andavan’andron’ny Malagasy . Ka raha tsy misy ireo dia manafoana ny maha Firenena , ka tsy maintsy mihinana azy ny olona isan’andro isan’andro . Ireo sakafo ireo ihany koa dia hita mampiavaka azy amin’ny Firenena hafa. Ny Ramanonaka Ny Menakely Ny Koba katsaka Ny koba ravina Ity Koba katsaka na solovolo Malagasy ity dia mifanojo indrindra amin’ny sakafo Asiatika satria fomba fahandro Indoneziana ihany koa , kanefa dia hita sy atao ary hanina eto Madagasikara ary manao azy avokoa ny Malagasy anivon-tany na any anindrana rehetra any . Taratra mampiseho fa avy any amin’io faritany iray any Asiatika io ny Malagasy . Raha tsiahivina kely ny mahakasika ny sakafo , dia tsy azo lavina fa saika mitovitovy avokoa , ho an’ireo firenena mihinam-bary ny fomba fahandro izany , saingy teo amin’ny fangarony na ny taharony no tsy nisy hitovizana . Ny Firenena Aziatika na ny Eropeana na ny Afrikana , dia saika nifanipaka ny fomba fahandro sakafo , ny fikarohana anefa dia manamafy fa taranaka nivoaka avy ao : “ MU ” na ilay sombin-tany nihalevona ny ankamaroan’ny mponina nielim-patrana . Ny Malagasy anefa rehefa mahandro vary dia tsy maintsy , vary tondrahan-tantely na sosoa na nilaofana varanga na kitoza matavy no tena fahandrony . Tsy ambaka izany ny vary amin’ny anana . Mbola isika Malagasy irery ihany koa mandoro vary , mba hisian’ny ranon’ampango [3] . Tsy misy manao izany eran’izao tontolo izao ary tsy mahafantatra izany . Kilalao Togo-kazo Tanàna any Ambanivolo any Ankizivavy Mongole Foko Maya Maya Quatemala Ireo mpiady Maya ; niaro ny taniny tamin’ireo mpanani-bohitra 1.5 . Ireo vanim-potoana lehibe . Hitohy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ho-sangany-aty-afrika
HO SANGANY ATY AFRIKA
AORN
“Isika no ho sangany aty Afrika…” Fandrenao matetika sy averimberina Fa rehefa tomorina toa fikafika F’izay tena marina no afenipenina Ny vidim-piainana miakatra hatrany Toa mila tsy ho takatra hatramy sakafo Ny taham-panjifàna ambany dia ambany Ireo kojakoja no jifaina lafo Dia zara raha afa-mijoro isan’andro Tsy misy hotsakoina, ny kibo efa noana Tsy afa-mividy dia tsy afa-mahandro Ny saina no kivy, fanahy misavoana Raha sendra marary dia loza sy atambo Raha tsy manam-bola dia tsisy mpandray Mpitsabo etsy an-daniny toa matin-kambo Tambazana zay Dokotera mahay Raha atao jeritodika ny filaminana Mitombo isan’andro ireo mpamaky trano Dahalo etsy andaniny tia mifaninana Fa efa nivoady nanao velirano Kanefa ny hetra tangosana ihany Ny mpamatsy koa nanome fanampiana Dia ambara amy tatitra ny vola lany Hay resaka fotsiny rehefa zohiana “Isika no ho sangany aty Afrika” Asesika mafy handemena ny saina Toa lasan-ko vavany ny eto amintsika Fa sendra mpitondra tsy misy antenaina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tbingy/indray-androany
Indray androany
T'Bingy
Valala misidina Mitady ny hanin'mba hoanina Ny eto dia sahan'pary midadasika Feno sokina mankadiry tanana, Tanàna somary kely,bitika Nefa matetika feno hazavana Mandrotsirotsy matetika ny soratra Manaraka ny fidobokin'fo, Manoratra eto aho Fa matetika misy ambara,azo ambaraina Momban'ny.. Androany,Rahampitso Tsy fantatra..izay hiafarana Fa ny misy aloha efa tantara Enganie ny rivotra hitondra amin'ny fanahy tsara Na dia miodina isan'ora ary ny tany Ny ahy navadiko foana pejy Satria mbola bobaka ny tasitara Mahakasika ny Gasikara Vitsika mitady zava mamy An'tany lavitra Sendra tantely ka mibitaka tsara Ny jorery variana misioka Miandry ny maha mpanakanto azy, Aleo tsy mifampijery tandrify, Fa ny an'tena no atao tsara Kakazo mahintsy Tsy ho very mandeha Na tsy mifantina aza ny mpaka kitay Mahay manavaka ihany Tsy mitsahatra miezaka ny tanora Mamboly any anaty tany lonaka Fa mazàna ny saha mihitsy no feno dahalo Tsy zoviana amin'ny maro.. Dia rehefa tonga ny fihotazana Dia asainy mandoa vola Fa hoe an'zareo hono ny tany... Tsy mahagaga, Raha toa ka..tsy maha vanona ny vokatra Satria izay mamelana dia katsanana Tohanana Tsy avela andravaka ny tanindrazana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikalo-tantely/eny-malala
Eny malala
Nikalo
Raha ho avy malala ilay tsy azo hidifiana, Ilay ora voatendrin’i Ray ao ambony; Ny mamy aza adino, sy ireo hafaliana, Fa ny vatako kosa efa tsy eny intsony! Eny malala, raha ho avy ny androko, Ka ho vato indray no varavarana hidirako; Kalokaloy sy antsao re ny hirako, Mahereza malala f’izay no efa anjarako! Betsaka ireny ny vita rehetra, sahan’ny hanoka fitia vao nitsiry; Vita ny ota sy ny etsetra etsetra. Tambitamby malefaka maro mpaniry! Raha sendra alahelo ny fo ao anaty, Ny hiran’ny fahazazana kaloy; Ny lamba rakofako ampio na soloy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhtl-rafahatelo/fitia-hafa-kely
Fitia hafa kely
RHTL (Rafahatelo)
Tolakandro tamin'ny telo no nahitako anao, Teny an-tsena tamin'izay. Tonga aho dia nanantona, tsy nisalasala akory Ka namoaka vola sy finday. HAKA SARY! Minitra vitsy monja dia vita ny resaka natao. Dia lasa isika nody , niara-nilomay. Tonga tao an-trano, ,niaraka natory; Ny andro koa nahamay. NAHANDRO VARY! Ny alina tontolo, nifampiondankondana (fiaina-mbaovao). Faly loatra mihitsy , ka saika nanapaka rairay. Fa hoe: tena sambatra, lavitry ny ory, Izao ny fiainanay. TSY MARARY! Ny ampitson'iny, izaho nampandro anao. Andro atoandro be mety ho tamin'iray. Fa mbola maika handeha an-dakilasy hivory. Handranto fahalalàna, hotonga mba mahay. TE HIHARY Faly tena faly aho fa nahazo anao Akanjo vaovao, lobaka matevina (milay) Ao fa tsy hoentiko matory intsony Fa ataoko anaty vata, ho tsara petraka amin'izay. TSY MALABARY
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/ry-foko-matoria
Ry foko matoria
eric dgp
Ry foko etsy matoria Angamba ve ny ankason ny tany no itonjanao fijaliana Ilay mba sisa kely fifaliana Niainanao teo anilany... No lasa tsy nanao veloma ilay any mba silany ... Ilay nokarakarainy mba hitoerany... Eny ...! Mionona ry foko kely tia Tsy nahatokana ho anareo ny hiara dia Eny mitsangana.... Na dia mbola reraka ny lainga izay nafafiny Nazahoany ny maminy... Aza manantena tsony ny hiverenany Aleo hizorany ny lalana alehany ianao moa roboka fa tia Niandrandra ho doria Nanome fitia manontolo Mba nanantena ho voakolokolo Nomeny anao ry sombiniaina Tsy noferotany aina Fa mbola vitany nandao Fa nahita vaovao... Ndao atory hiandry ilay maraina Etsy...mitsangana sombiniaina Fa mbola ho avy ilay tena ho antenaina.