url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera4/very-fotoana | VERY FOTOANA | Fredy Jaofera4 | VERY FOTOANA
Very fotoana
fa nanoloana
olo-nandavo,
nanjavozavo.
Very fotoana
fa nanafoana
izay faniriako
tsy hafaliako.
Very fotoana
ka na ahoana
tonga nenina
vao tenenina.
Very fotoana
fa tsy moana
ny fiadanana
nosakanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ilay-masoandro | ILAY MASOANDRO | LAVENONA | ILAY MASOANDRO
Dify ilay masoandro nanazava hatrizay
Fa tonga ny hariva izay tsy maintsy hialany
Ka manomboka eto dia toeran-kafa indray
no ho hazavainy sy omeny ny hafanany
Lasa ilay masoandro ka ny alina no solony
Arahin'aizim-pito sy ny akon'ny jorery
Hany ka mangina sady gina ny tontolony
Nilaozana hazavana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ilay-fitiavantsika | ILAY FITIAVANTSIKA | LAVENONA | ILAY FITIAVANTSIKA
Mpinamana isika ,efa hatramin'ny mbola kely
Niaraka nianatra ary koa niray tanàna !
Tsy nifankafoy na nifanary velively fa...
niara-nilalao sy nilomano aza mazana !
Noho ny tendri-piainana izay tsy afaka nialana !
Dia tapaka tsy fidiny ny fifandraisantsika !
Ny tenako namonjy ny sekolim-panjak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanaintainana | FANAINTAINANA | Fredy Jaofera | FANAINTAINANA
Rehefa fiainana
ny tebiteby sy ahiahy
izay sarotra tenenina,
ny fanaintainana
no aingampanahy
andehanan'ny penina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarina-rf/r-a-o-z-y | R A O Z Y | Miarina RF | R A O Z Y
Izy no raozy
Dorehitra mena
Manana paozy
Mateza jerena
Ny angotin'ny raviny
Manome hery
Tsy misy an-tery
Ny voany sy voniny
Halofan'ny tahony
Haingon'ny tonony ,
No hany solon'
Ny vava sy molony
Te haneho fitiavana
Aminao izay mitazana !
Ny faka ao ambany
Rakofan'ny tany
Izay sisa tsy tazana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ato-am-ponay-foana | ATO AM-PONAY FOANA ! | LAVENONA | ATO AM-PONAY FOANA !
Toy ny nofy letsy raha ny fiainana fahiny a!
Zary tsy mampino raha ny zava-misy androany hoe...
ialahy ilay tena namana mpamalifaly iny
no nantsoin-drafahafatesana niala teto an-tany !
Kanefa izay no lahatra ...!
Toa tsaroako etoana ilay ialahy mitsiky...
rehefa raikitra iny ny vazivazy kely... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/handeha-aho | HANDEHA AHO | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Lasa aho ka handeha,
Fa mialohan'ny andehanako:
Hatsotrako ny tanako
Hanao veloma anao.
Fa mialoha izany,
Ho faranako ny eto,
Hatsahatro ny sento
Izay azoko tatÿ.
Tsy ataoko tsapa akory
Fa rahona efa maro
No nanaloka tatÿ.
Dia ankoatr'zay,
Ataoko tsara fafa
Ilay endrikao
Misoritra ato antsaiko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tena-namana | TENA NAMANA | LAVENONA | TENA NAMANA
Ny tena namana amiko ?
Ilay tsy mba manary...amin'ny andro mahaory
Tsy mamela irery raha sendra fahoriana
Manohana eny foana... ary tsy misaina akory...
ny hanisy ratsy izany, na oviana na oviana !
Ny tena namana amiko miaraka eny foana !
mampahery hatrany rehefa iny ianao tomany !
izy mampitraka ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mbola-hisy-valiny | MBOLA HISY VALINY! | LAVENONA | MBOLA HISY VALINY!
Etsy anie sakaiza e !
Mba mihevera tena
fa hitondra anao ho aiza moa
ny vola aman-karena?
sa vola aloha vao aina?
harena vao fanahy?
Nefa aleteho an-tsaina
fa ny ratsy ataon'ialahy
........mbola hojinjaina
Mbola ho tsaraina
raha ny tana-nihosin-dra
sy kiribiby ataon'ialahy!
Mihitsy ialah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/iny-alina-iny | INY ALINA INY | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Iny alina iny...
Na dia maizim-pito sy sarotra ravàna
No tonga mba mamangy,
Dia io fa tsy misangy,
Nanafika ny akaniko ;
Ka tsy ampy naharetan'
Ny ora firehetan'
Ny jiro solitany efa ho lany solika,
Sady nitsilopy...
Ka indro koa tsy nofy
'Reo ora maromaro tonga nivahiny,
'Reo ora fahanginana tamin'ny alina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/latsa-tomany | LATSA-TOMANY | Fredy Jaofera | LATSA-TOMANY
Latsa-tomany
fa any ho any
ny olo-malala
tsy mahalala.
Latsa-tomany
fa tonga ihany
iny ratrako iny
namely fahiny.
Latsa-tomany
fa eto hatrany
ireo nofy ratsy
tsy nisy vatsy.
Latsa-tomany
fa nanambany
ny toky nilaina
sy nantenaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-teninao | NY TENINAO ! | LAVENONA | NY TENINAO !
Ny teninao ry Gasy a! Ny teninao ihany...
no tsy azon'iza na iza rombahina sy alaina
na oviana na oviana...raha tany koa ny tany !
Ny teninao harena ka tokony hajaina !
Ny teninao ihany no... porofo manambara
fa malagasy ianao fa tsy ny endrika sy bika
rehefa injay ka lavitra ny Madagasikara
ka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-fara-fahanginany | NY FARA-FAHANGINANY | LAVENONA | NY FARA-FAHANGINANY
Iny fahanginany iny.....
Tsy nidika faharesena fa...
izay mangina volamena
Ka naleony tsy niteny
Na dia efa tahaka ireny,aza
Ny hadalana vitanao
Dia naleony tsotra izao
Nanakombona ny vavany,
Nefa hita soritra amin'ny tavany
Fa, misy angon'alahelo
Mitambolina ao ampony
Mila tsy ho zaka i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/hivavaka | Hivavaka | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Andriamanitra ô!
Hivavaka aho anio
Fa te hisaotra Anao,
Noho ireo fitantanana
Nampandresenao ahy
Namakivakivaky ny onja
Raha sarotra ny lalana
Dia indro Ianao nitondra,
Nampita izany tenako
Tsy ho ravam-pahavalo
Tsaroako etoana koa,
(Ny foko anio mivalo)
Nikasa hamaly famaly
'reo tafi-pahavalo,
Tsy niera ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/taminizany | Tamin'izany | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Tamin'izany fotoana tsy nihaonana izany,
Raha iny aho no lasa voatery nandao,
Ny tenako no hany vinimbiko tany,
Fa ny saiko sy foko navelako ho anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/na-tara-aza | Na tara aza, | Nosy Malala | Na tara aza,
Tsy taitra mihitsy Raivo miditra tara,
Gasy hono izy ka izay Ilay anjara,
Efa miezaka ihany fa tena tsy tafa,
Moa na tar' izy tsy mihafahafa.
Sahirana nijery akanjo anaovana,
Ilay metimety toa efa nilaozana,
Maneritery kibo mila avaozina...
Endrasana Raivo fa tsy azo (i)laozana.
Tara i Raivo fa m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-skoto | Ny SKOTO | LAVENONA | Ny SKOTO
Ny Skoto tsy mihemotra
amin'ny zavatra sedrainy
Ary tsy mifararemotra....
satria ny ao an-tsainy ,hoe....
"N'inona n'inona mianjady
dia vonona aho ny hiady,
hiroso aho tsy hijanona"
Satria dia olom-banona
tsara taiza sy tomefy
ka sanatria ny hihoa-pefy
toy ny jiolahimboto
Fa ny antsoina hoe Skoto?
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/taratasy-avy-any-am-ponja | TARATASY AVY ANY AM-PONJA | LAVENONA | TARATASY AVY ANY AM-PONJA
Miala tsiny letsy fa...sendra mba nahatsiaro...
dia nandefa taratasy sy anatra ho anao a !
Ka raha toa voarain'ialahy dia...tsarovy sy fantaro hoe...
aty am-ponja i zoky izao manoratra eto izao !
Nibaby ny hadalany !
Tsy vitan-drendrarendra ny fiainana lehity a!
Ny tanjona ny ditra koa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mahereza | MAHEREZA...! | LAVENONA | MAHEREZA...!
Ho anao mamaky ny asa soratro io
raha toa mandalo olana amin'izao fotoana izao
Tsy resy izany ianao fa...izao no tadidio hoe...
tsy hamela anao irery ilay Ray ambony ao !
Reny hatrany hatrany ny vavakao mangina
Fantany daholo raha ny fiainanao rehetra
Tsy nahary anao mba hoe hiari-pahoriana
fa kosa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/jes%C3%B4-sakaizanay | JESÔ SAKAIZANAY | LAVENONA | JESÔ SAKAIZANAY
Tao anatin'ny alina fiharetan-tory iray
Niarahana nikalo izao karazan-kira izao
fa rehefa injay nohiraina ny " Jesô sakaizanay..." dia...
toy ny voatsindrona ny tao am-poko tao...
no sady lasa saina !
Raha hiram-pivavahana ?...ny tena tsy vahiny !
Mahay tsy misy very ny tononkira tsara !
ka nefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anatinny-soratra | ANATIN'NY SORATRA | Fredy Jaofera | ANATIN'NY SORATRA
Anatin'ny soratra
ny fitiavako anao
tonga manokatra
ny ainga vaovao.
Anatin'ny soratra
ny hafatra moana
mety hisy ohatra
hamaritra foana.
Anatin'ny soratra
ny tanjona tiana
hany hamokatra
kanto izay nirina.
Anatin'ny soratra
ny fihetseham-po,
na dia manolatra
irony ratra taloha. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tantsaha | TANTSAHA | AORN | Izy ireny mantsy lazaina mavomavo
Na koa akoraina fa olona tanavo
Dia ambaniana foana, odiana tsy jerena
Ka ny vidim-bokatra baikona sy terena
Dia zara misy tombony, zay zavatra hamidy
Fa ny mpaka maro no tompon’ny safidy
Ny manam-pahefana iray lasitra avokoa
Raha zay ambanivohitra tsisy hamakiany loha
Kanefa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/ahoana-ny-mitia | AHOANA NY MITIA ? | RAVINALA | Niezaka ny tsy nahatsiaro ny lalana nombana
Ny foko efa osa, fa trotraka loatra
Fa miredareda ny afom-pitia
Tereko ho faty fa andrao tafahoatra
Kinanjo vo mai-mihamafy
Mahery fitsoka ilay rivo-pitia
Nony injay tafahaona dia nifankazo
Velona indray ireo otrik’afo
Efa niha nalazo.
Dia ny onjan-drano no sisa tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/tsy-rafinao-ilay-tiaviko | TSY RAFINAO ILAY TIAVIKO | RAVINALA | Ny voady nokaloiko
hatramin'izay teo anilanao
Tsy misy novonoiko
fa nosoliko vaovao
Dia fiainam-baovao
fitia mifanaja
Sanatria ny hankahala anao
fa mendrika kokoa angamba
Nambarako azy avokoa
ireny lasantsika ireny
Teo ireo nahasoa
sy ny ditra teny ho eny
Ny aminao sy ny amiko
notantaraiko ombieny ombieny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/nafeniko-ny-tavako | NAFENIKO NY TAVAKO | RAVINALA | Nahodiko ny lohako tsy hibanjina ny endrikao sariaka
Nakipiko ny masoko fa matahotra sy miahiahy indray
Sao ho lasa babonao amin’ny fitsiky manjopiaka
Ka ho tohina eo indray ny fery ‘zay voazaitra naratra tamin’iny.
Nafeniko ny tavako tsy ho tsikaritrao akory ny andriambin’ny foko
Mahery dia mahery, misitona toman... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/andrakandrana | ANDRAKANDRANA | RAVINALA | Ao an’efitranoko ao misy fiovana
Fiovana hafahafa toa misary hadalana
Fofona sy setroka
Miovaova loko tsy fandre matetika
Setroka tsirohotro mifangaro rano
Rano tsy fisotro mahatofoka ny maro
Zava-misy izany, tantaraiko anao
Izay ny fiovana sao dia gaga ianao
Tsy tandra vadi-kodotro io
Sady tsy fanaoko ihany k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fo-mampirafy | FO MAMPIRAFY | AORN | Mampirafy ve ny foko
Raha nitia anao mangina
Ka nitepo an-tsokosoko
Sy nandray anao ho tiana?
Fa 'lay namanao akaiky
Tsy nandrian’ny foko tia
No lasa vady nifanaiky
Hiaraka amiko ho doria
Fa 'ty foko adaladala
Nofefeko tsy hivoaka
Nefa toa tsy te hahalala
Fa vao mainka te-hitroatra
Notreromiko ny saiko
Tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/voabaiko | VOABAIKO | AORN | Firifiry zay ny tranga
Nampitolatola-gaga
Niseho lany tato ho ato
Fanondranana harena
Sokatra sy andramena
Miampy ireo karazam-bato
Dia 'reo tompomenakely
No manao zay tsy hampiely
Ny vaovao zay tena marina...
Miezaka mamono afo
Ka tena sahy mividy lafo
Zany lainga tiana amboarina
Dia lazainy f’efa miasa
R... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/alin-dratsy | ALIN-DRATSY | AORN | Alina toa maizin-kitroka
Ibitahan’ny mpamely fantsy
Andadizan’ikely mavitrika
Fiveloman’ireo olon-dratsy
Alina tsisy mangirana
Filalaovan’ny kary amy tompony
Alina toa manahirana
Vakisehatra hatrany amy fotony
Alina mampiahiahy
Tontakely no manjakazaka
Fivoahan’ireo jiolahy
Izy ireo no efa tompon’ny laka
Al... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fanavahana | FANAVAHANA | AORN | Malaza tamy zany, tao Afrika atsimo
Ny mainty dia voaavaky ny fotsy tompon-tany
Ka n’aiza n’aiza aleha, dia tena tsy mampino
Ny hafa volon-koditra tsy maintsy ambany hatrany
Fa amy zao fotoana, raha ny eto no ambara
D’ireo vahiny tonga, matanjaka ara-bola
Manavaka ny gasy, manao zay hampizara
K’ireo mpitondra m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mpino-sadasada | MPINO SADASADA | AORN | Misy mpino sadasada, manantsoratra, hafahafa
Tsy mihambahamba akory, mampiteny ny anarany
Dia mamory filankevitra no sady manatsafa
Ny Mpitondra fivavahana heveriny ho ambaniny
Izy hono matretre, ka mahazo misafidy
'Reo zay olona hitondra sy hitantanana Fiangonana
Ka ny vola no ampiasainy mba ho fanefàna adidy
Z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-anjara | NY ANJARA? | AORN | Na tiako aza ianao,
Ny anjara tsy miolaka
Fa rehefa tena anjarako
Dia miaraka mamolaka
Ilay fitiava-mamy
Iraisantsika roa
Na tiako aza ianao
Ny anjara tsy fidiana
Fa rehefa tsy anjara
Na dia terena ho tiana
Tsy maintsy tafasaraka
Satria tsy mahasoa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/karajiam-pandrosoana | KARAJIAM-PANDROSOANA | AORN | Nikiry aho ka nikiry
Nikiry fa tsy nahazo
Tsy nahazo lay fandrosoana
Fandrosoana tsy mety tonga
Tonga kely fa tsy tamàna
Tsy tamàna fa lasa niala
Niala sady voahilikilika
Voahiliky ny mpitondra
Mpitondra sendra ny tia kely
Tia kely mba hanambàka
Hanambàka ireo vahoaka
Ireo vahoaka tsy tonga saina
Tsy tonga ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-nofiko-sisa | NY NOFIKO SISA | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Ny nofiko sisa no tonga mitsetra
Mamangy ahy anatin'ny ali-mangiana,
Fa ny fiaina-mitranga toa mahery setra
Sy manambatambatr'ireo fahoriana.
Ny ali-fahanginana sisa no namana
Miara-mizaka an'ireo alaheloko,
Ny nofy no tonga mba manolo-tanana
Sisa izarako ny tsiambara-teloko.
Ny aizina sisa no hoe fiadanana
Ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rafahafatesana | RAFAHAFATESANA | AORN | Fandaozana mafaitra, mangidy tsy hay tohaina
Ny saraka aman’aina
Tomany sy alahelo miaro fahoriana
Ny ilaozan’olon-tiana
Fa satry hiriaria, sy hiaraka doria
Izay mifankatia
Saingy toa voafetra lay hany fanomezana
Tsy to rafahafatesana
Ny eto an-tany mantsy, ny taona no isaina
Ho an’ny velon’aina
Raha atao ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nandratra | NANDRATRA | Fredy Jaofera | NANDRATRA
Ny alahelo aloha afaho,
na indraindray mampijafa
eny foana tsy hay vonoina ;
ny olona nandratra anao
dia mitantara zavatra hafa,
milaza ho niharam-boina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/misy-ny-mitia | MISY NY MITIA ? | NY Andri-Fara | Misy ny Mitia ?
Nahoana kay ianao
No androany no nilaza .
Ka nandrenesako ny feonao !
Mikarantsana aoka izany ;
Manambara ilay fitiavana .
Tia ahy ianao
Tsy laviko izany , saingy indrisy ...,
Nahoana kay ny lahatra ;
No niangatra ? Nadaboka !
Ny fo maratrako...Tomany .
Andeha ianao...Tsy fantatro
Angamba mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-afaka | TSY MISY AFAKA | Fredy Jaofera | TSY MISY AFAKA
Soa ny vavaka,
tsarovy, na rahoviana
ka n'aiza n'aiza ampiasao ;
tsy misy afaka
manakam-pitahiana
omen'Andriamanitra anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara0/ny-soratra-miteniko | NY SORATRA MITENIKO | Ny Andri - Fara | NY SORATRA MITENIKO
NY SORATRA MITENIKO
Ny Teny no entiko hanambara
Izay tsy sahin’ny peniko lazaina .
Ny soratro no hanehoako ….,
Hampihoitra , handrisika , ny hetahetam-panafahana .
Hanoratra aho..Hanoratra tanteraka
Hitrandraka ny asa soratry ny fiainana .
Ka ny saiko na ny sofiko ; ny masoko !
Hamelona ind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/asa-re-raha-mba-fantatrao | ASA RE RAHA MBA FANTATRAO? | RAVINALA | Mba tsampanao moa fa eo ambaravarakely no lasan’alahelo sy misento ’zany foko
Rehefa injay ianao tsy hita ; lasan’embona, mitaraina mitoloko
Rehefa hila tsy ho tantiko dia zava-mahadomelina no bobohako
Dia singara koa no pololoriko, mba hampitony ‘zany .
Rehefa koa tsy tantiko ny fahendren’ny tany
Dia miondrika ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/fahotana-foana | Fahotana foana | Rongo | Fahotana foana
Io lanitra io raha manga ?
Tsy ho manga foana foana
Tsy maintsy hifandimbiasan' ny ora sy fotoana
ny reva-doko atorany,
Raha manga teo ny sorany ...
Isika tsy mpandahatra ka afaka ny hamaritra izay zotra mety hizorany !
Ny volana mitranga ?
Tsy hitranga foana foana;
Tsy maintsy hifandimbiasan'ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nofinny-saramba | NOFIN'NY SARAMBA | Fredy Jaofera | NOFIN'NY SARAMBA
Nofin'ny saramba
ny hanam-piaina-mora
fa dia rovi-damba
mitrongy mafy isan'ora.
Nofin'ny saramba
tsy ho tapaka irony jiro
fa dia mahajamba
ny sedraina ka halaviro.
Nofin'ny saramba
tsy ho tapaka itony rano
tsy, hoe, angamba
fa marina eny ka tazano.
Nofin'ny saramba
ny ho lavi-pahantrana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/na-mafy-aza | Na mafy aza | NY Andri-Fara | Na mafy aza
Tompo o! indreto izahay
Hisedra sy hankatoa ny teninao.
Vonona ny hitory....,
Hijoro ho vavolombelona .
Na dia mafy aza ny adim-panahy
Na inona hitranga , tsy hampanahy ;
Tsy ataonay mahakivy ,
Tsy maintsy mandroso f'izay no didy .
Tompo o! na aiza na aiza no aleha
Na aiza na aiza hanirahana ...?
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/apetrao-ny-ahiahy | APETRAO NY AHIAHY | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Amin'izay rehetra atao, dia ilaina foana ho sahy,
Sady vonona ny handroso hahatrarana ny tiana.
Fa raha resaka fitiavana, aleo asiana ny ahiahy,
Hisorohana ny nenina mety hitranga any aoriana.
Aza manam-pikirizana na koa miezaka mitia!
Aza manantena fo hitepo anao ny manontolony !
Aza manome ny toky, indrindra mo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/ny-asasoratrao | Ny asasoratrao | Rongo | Ny asasoratrao
Ny asasoratrao miranty?
Ninoninona lazaina
Na io aina ho an'ny maty
Na mahafaty koa ny miaina!
Fa ny teny mantsy miako
Masina io sy saropady
Raha fanasina matsatso
Iza indray no hahamasina azy?
Ka ny soratrao sakaiza
Lalana aiza no hizorany?
Tanjona aiza no hifotorany?
Raha nateraka izy andro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/toko-ii-21-ny-fanjakani-madagasikara-tohinilay-madagasikara-fahagola-sy | TOKO II 2.1 . Ny Fanjakan’i Madagasikara | NY Andri-Fara | TOKO II 2.1 . Ny Fanjakan’i Madagasikara ( TOHIN'ILAY MADAGASIKARA FAHAGOLA SY....)
TOKO II : Eto no manomboka isika izao = Mbola misy sedra ka sarotra ny mamoaka azy ato raha vao mitohitohy ny lohateny mitovy .
2.1 . Ny Fanjakan’i Madagasikara
[ Ity sary ity dia tsy sariny akory fa vinavina ihany ]
2.1.1 An... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/15-ireo-vanim-potoana-lehibe-tohinilay-madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitriny | 1.5 . Ireo vanim-potoana lehibe . { Tohin'ilay Madagasikara Ny Lasa sy ny Ankehitriny....) | NY Andri-Fara | 1.5 . Ireo vanim-potoana lehibe . { Tohin'ilay Madagasikara Ny Lasa sy ny Ankehitriny....)
1.5 . Ireo vanim-potoana lehibe .
1] 901 - 1898 = Tafiditra ao anatin’ny taona arivo voalohany faramparany sy ny faharoa izy ity ; na ny taon-jato fahasivy amby folo .
* Ny Fahagolatany :
Ny fahagolan’Andrianerinerina , di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/raha-tsy-hihira-intsony | Raha tsy hihira intsony | Rongo | Raha tsy hihira intsony...
Raha tsy hihira intsony isika
iza indray no mba hikalo
ny hatsaran'ny lohataona
mbamin'ny volana baliaka
sy ny alina mimoana?
Raha tsy hihira intsony isika
iza indray no mba hitsilo
ireo tsy manan- kitarainana
mosarena an'alinkisa
izay nalavon'ny fiainana?
Raha tsy hihira intsony i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/andramo | Andramo | Rongo | Andramo...
Fa raha izay nofo monja
tsy mbola hahavita hanorina
fitiavana mafonja
ao am- pon'ny ''zanakolona''
Tsy hahazaka topan'onja
raha toa ka mbola nofo
no heverina hitondra
fitiavana tsy miofo
'Ndehana indray andramo
voleo fanahy ny fo
raha toa ka ta himamo
fitia tsy mety lo
Fa raha izay nofo monja
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/ny-isika | Ny Isika | Rongo | Ny "Isika"
Ny "Isika"
tsy natory
tsy nandrandra-nofinofy
raha tsy re figadogadona
sy tsy nifampitosy!
Fa ny "Isika"?
Tsy aiza akory
f'efa maty ka nangina
vao nitsaika ny "Ianareo"
ka nateraka ho fisiana!
Ka raha maty ny "Isika"
tsy ho velona n'oviana
ninoninona hiseho!
Raha tsy maty ny ''Ianareo'' |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/tsy-poeta-ny-poeta | Tsy Poeta ny Poeta | Rongo | Tsy poeta ny poeta...
Toy ny isika nofo ihany
miaina tahaka ny rehetra
avy tamin'ny vovo- tany
fa tsy anjely ny Poeta!
Maminany izay hitranga
ka mamoha ny am- parahatony
amin'ny tononkira manja
tsara tefy anaty lantony!
Tenaben'ny finiavana
izay nateraka hitolona
sy hamelona fitiavana
ao am- pon'ny zanak'ol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/ny-tia | Ny tia | Rongo | Ny tia...
Ny tia tsy mandeha ila,
Ka hoe izay tinao ihany
No voasoritra ho efainy.
Fa izy koa mba mila
Kisarin- tenimamy
Avy aminao lalainy.
Ataovy tsisy dila
Izao teniko eto izao,
Raha diso aho dia teneno...
Fitia manao tanila
Ny ambadiky ny atao
Raha toa ka tsy hifameno!
Fitiavana dia 'zao:
Avy ao am- p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/loza | Loza | havotraniaina | LOZA
Ry olombelona eto an-tany,
Mihainoa, mahirata,
Mihasimba ny tany,
Miharatsy hatrany.
Jereo ny zavaboahary,
Mitoloko mitomany,
Henoy ny antsoantsony,
Mitaraina mihalany.
Na ho ela na ho haingana,
Ho simba ny tontolo,
Ho loza ny hanjoa ,
Ny tany manontolo.
Isika olombelona,
Natao mba hanjaka,
Indrisy!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misasatra | MISASATRA | Fredy Jaofera | MISASATRA
Misasatra
vao mihinana
no hafatra
efa iankinana.
Misasatra
vao mandeha
ny zahatra
voizina ange.
Misasatra
vao ho tazana
ny taratra
hahombiazana.
Misasatra
vao ho tontosa
ny lahatra
hanova eto kosa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/mino-va-ianao | Mino va ianao? | Rongo | Mino va ianao?
Tsy hahatazona minitra
Tsy hahaverina ny lasa
Saingy maha isika antsika
Ny manahy sy ny mikasa
Ny olombelona fimaty!
Zotra iray ny manan'aina
Saingy fahamboniana anaty
Ny fananantsika saina!
Isika izao tsy nofo ihany
Izay no ataovy an- dohanao
Ny fodian'ny nofo ho tany?
Fiandohana iray vaovao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/bibibiby-ny-olona | Bibibiby ny olona | Rongo | Bibibiby ny olona
Ianao nitia ny fony,
nitia ny marolafiny;
izay mety ho fahalemeny
hatramin'ny kilemany!
F'ireny tsy tsaroany
fa difotra ny masony,
ka mainty izay jereny
noho ny fitiavan-tenany!
Ianao ilay be fitsetra
tsy mba nanidy tanana,
nanolotra tsy niato
fa nentim- pahatsorana.
Fa ny ao an- tsainy a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-ratsy | AMIN'NY RATSY | Fredy Jaofera | AMIN'NY RATSY
Rehefa hanam-batsy
ho lesona hatrany am-para,
na rahoviana izay,
tiavo izy amin'ny ratsy
dia ho azonao amin'ny tsara
amin'ny fotoana iray. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/ho-inontsika-ny-hira | Ho inontsika ny hira | Rongo | Ho inontsika ny hira
Ho inontsika ny hira
raha hiraina fe hiraina,
tsy hitondra fahamboniana
ho an'ny fo fanahy sy saina;
kotrakotram- pahoriana
sy mitolona ara- nofo,
milonjehitra mangina
irony tanambokovoko?
Ho inontsika koa ny kalo,
izay kaloina sy antsaina
eny an- tsofin'ny mpandalo
amin'ny andro vao ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/hafa-mihitsy | HAFA MIHITSY | DADAFARAtolotra | Mamiratra toa raozy, ny lokom-pelam-boniny
Mampodipody mandry, ny kalo izay foroniny
Manintona ny maso, ny haingohaingo an-tavany
Toy ny vatosoa, ny nify anaty vavany
Toa lamban'ny anjely, ny tafy fisalorany
Manako fahalafarana, ny làlana fizorany
Toa kintana sy volana, ny masony mitazana
Fikiriko ny sandriny,ar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ny-feoko-mitaraina | Ny Feoko Mitaraina | NY Andri-Fara | Ny Feoko Mitaraina
Hatraiza moa ny Fetra
Na ny ora sy fotoana ,
Tokony hihaonana Aminao;
Ry Jesoa Mpanjakako o!
Fa henika adalana
Heni-pahantrana!
Drodroky ny fahoriana ,
Nisesisesy indray ny fijaliana .
Izao tontolo izao
Sy ny taninay ...,
Mahantra fahasambarana .
Tompo o!
Inoako Fantatrao ;
Ny Feoko Mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zakainanavalona/malala | MALALA | ZAKAINANAVALONA | MALALA
Ampy nahafantarako ny momba anao ; eny ampy
Ilay minitra monja kely ! nahalalako anao .
Ampy nahafantarako anao , eny na tsy ho tanty !
Ilay kely izay nitoerako , ninia nolavinao .
Ampy nahafantarako ny misterinao…
Ny masoko mijery…
Ilay fonao mbola tia, fa… ;
Ninianao nafenina tanaty fankahalana .
Eny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/olombelona-ihany | OLOMBELONA IHANY | AORN | Ny andro ary ve no mitanika orana
No manjombon’ila zay rehetra jerena
Sa kosa lay foko no mangorangorana
Ka lasa ny maso no zary jambena?
Ny fo malahelo mikiky ao anaty
Mamorona sento mamboly ahiahy
Ny saina mikiry fa tsy mahatanty
Voakitika hatrany amin’ny aty fanahy
D’injao fa mirotsaka ny ranomaso
Fa efa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fahazazana | FAHAZAZANA | AORN | Mijery ireto ankizy
Anaty fifaliana
Toa lavitry ny jaly
Dia satry koa hiverina
Hiaina ny taloha
Hitsiky sy hifaly
Jerena ireto izy
Misangy tsy amin’ahy
Manao izany am-po
Dia tsiaro no miverina
Lay nilalao fahiny
Niraisana avokoa
D’indreo fa mifanosika
Dia miaraka mianjera
Avy eo mifampitantana
Fa fony Mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/omaly | Omaly | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Omaly
Nitia anao ny foko
Ka nanambara izany
Fa tsy nasianao sira
Sy navelanao tomany,
Mafy tamiko iny
Satria tena fitiavana
Nivoaka avy ao am-po.
No nasetrinao fandavana,
Eny, nitia ahy ihany ianao
Fa naharoharonao
Fitaka sy lainga
Tena tsy nampoiziko.
Fa androany.
Tapitra ny fetran'
Ny fara-fiaretana
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriananjariana-pierre-charles/fitiavana-roa-sosona | Fitiavana roa sosona | Andriananjariana Pierre Charles | Fitiavana roa sosona.
Firehan'ny fo amin'Andriamanitra
Fanomezana avy any an-danitra
Ilay soa indrindra,mendrika tokoa
Tiko mihoatry ny hitan'ny maso roa
Fo marina no entiko mitia azy
Ialako ny fahotana sao voasazy
Fahasoavana hatrany hatrany
No takalon'izany hatreto an-tany
Izy no tsy afaka ao an-tsaina
Tsar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/nenina | NENINA | DADAFARAtolotra | Raha mba tsy nomeko ny foko manontolo
Dia tsy mba toy izao,
Sento tsy ankiato no mifanolosolo
Fa nofitahinao,
Ianao nataoko ho vady, mba andry azo hifotorana
Ka dia mba notolorana,
Nomeko fahasambarana, nomena fahadiovana
Izaho kay fandalovana,
Jamban'ny fitiavana aho, ka tsy nisaina akory
Dia niaraka natory,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/hatsarantarehy | Hatsarantarehy | Rongo | Hatsarantarehy
Raha tsy ho masina amin'ny
teny izay hasinintsika isika,
dia ho mosalahy mpandrenty
kalo moana sy poakaty;
mana- maso tsy mahita,
jamban'eritreri-maty
sy ny fitaka am-babeny;
ka mitory tsy fitory
sy miteny tsy fiteny!
Raha tsy ho velona amin'ny
aina izay haterany ny saina,
dia ho ilay mahantr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/lazao | Lazao | Rongo | Lazao
Iza moa no hahalala
Ireo atotam- paniriana
Miafitra ao am- po tsy miala
Raha kobonina ao mangina?
Toy ny vony iray malazo
Mosarena fifaliana
Ny ao am- po raha toa ka babo
Nefa izany tsy toriana!
Eny, fitaka ny saina
Manambara fahafenoana
Amin'ny loharanon'aina
Izay tsy mbola nisotroana!
Ka raha tena ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kintanny-natiora/aloka | Aloka | Kintan'ny Natiora | Tandindom-pitiavanao azy no hany nitiavanao ahy
Tsy nisy fitia tena izy fa kisary no betsaka tao
Izaho nanantena sy niandry, natoky ho silam-panahy
Fa ianao tsy naharitra akory , nilaza sahady fa lao
Nanorina mandam-pitia aho , nanao fefiloha ho fiarovana
Fa tso-drivo-malefaka ihany dia ampy nandrava izany
Vao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/tsiky-malefaka | Tsiky malefaka | Frederic Rnf | Ny tsikinao malefaka
No mampientana ny foko
Ny endrikao miramirana
Manome herim-batana ahy
Ny fijerinao toa ny ankamantatra
Mitondra hery toy ny herim-baratra
Izay mivimbina indrom-pitiavana
No mamelombelona ny fanahiko
Ny tsiky malefaka izay ananantsika roa
No atambatra mba hanome filaminana
Sy fiadanan-tsai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/adinoy | Adinoy | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Nahoana indrisy no dia mitaraina,
Misento mangina no sady tomany;
Ny ambadiky ny alina anie ka maraina e,
Ny rahona sy aizina hisava ihany.
Nahoana ankehitriny no handany fotoana,
Amin'zay ranomaso ho adino rahampitso;
Amboary ny saina hatanjaka foana
Hameno izay banga sy hanitsy ny diso.
Dory avokoa ireo diary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noely-2 | NOELY | Fredy Jaofera | NOELY
Noelim-pandresena
ny noelintsika ety,
noelim-pamonjena
fa tonga i Kristy.
Noelim-piderana
ho antsika Mpino,
noelim-panasana
eto ka hamasino.
Noelim-pifaliana
manerana ny tany,
noelim-pifaliana
ambara sesilany !
Noely manazav
ny ory tsy voaisa
hahita lalandava
ny tena paradisa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/voady | Voady | Nisainana RAFETRARIVO | Androany ilay fotoana niandrasantsika
Ho hanoratana ilay tantara
Hanombohana ny fotoana
Hakàna sary indray mipika
Fotoana mamy hoantsika
Hanatrehan'ny Alitara
Hanatrehan'ny fianakaviana
Hanombohana dimby sy fara
Fitiavana nifanojo nomen'ilay mpahary
Ho mandrakizay hiara-dia tsy hifanary |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/malalako-tsy-fantatro | MALALAKO TSY FANTATRO | AORN | Nanintona ny jeriko
Lay endrikao niserana
Nandalo teo anilako...
Fa rehefa lasa lavitra
Dia niaraka nitodika
Nifampijery kely
Niaraka nitopy
Lay masontsika roa
Dia nientana ny fo
Ka ny vatako avy
No tonga nangorintsana
Sy toratora-kovitra...
Ny hatsembohako aza
Toa nipatrapatraka
Namonto zany tavako
Fa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zakaina/nahoana | NAHOANA | ZAKAINA | NAHOANA
Ampy nahafantarako ny momba anao ; eny ampy
Ilay minitra monja kely ! nahalalako anao .
Ampy nahafantarako anao , eny na tsy ho tanty !
Ilay kely izay nitoerako , ninia nolavinao .
Ampy nahafantarako ny misterinao…
Ny masoko mijery…
Ilay fonao mbola tia, fa… ;
Ninianao nafenina tanaty fankahalana .
Eny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sariaka-harisoa/ny-fiainanny-kamboty | Ny fiainan'ny kamboty | Sariaka Harisoa | Ndriiii
Kely dia miatrika ny fiainana sahady
Kely dia tsy maintsy milofo sy mitady
Tsy mba misy mpiahy,tsy afaka hiangoty
Ranomaso foana ny fiainan'ny kamboty
Raha izany hoe hafaliana,efa tsy misy intsony
Fa vonton'alahelo hatrany anaty fony
Indrisy mantsy lasa ireo Andry sady Toky
Ka sentosento lava ny fiainan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/david-mpikalo/mena-masoandro | Mena masoandro | David Mpikalo | F'iny masoandro iny no madiva hamonjy fodiana.
Ny eto kosa singan-drery mahatsiaro olon-tiana.
Velona embona anao ka midongy ho vangiana.
Fa banga anao ny harivako, miandrandra fifaliana.
Dia iny faravodilanitra iny, no anembonako anao,
Ianao zay lavitra ahy tsy fantatro akory
Nefa tsy afaka ato an-tsaiko isanand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-nambaranao-ahy | TSY NAMBARANAO AHY | AORN | Nisy olona nandalo
Sy niserana aninkeo
Nitovy loatra taminao
Na fiteny na fihetsika...
Toa somary kaodikaody
Te hamantamanta-javatra
Fa ny nahazendana ahy,
ny fijeriny tsy miato
'Lay sarinao nihantona etsy…
Fa tsikaritro ihany koa
Ny masony nanganohano
Toa mitory alahelo
Tsy haiko aloha izay tena heviny...
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ventso/amidiko-ny-foko | Amidiko ny foko | Ny ventso | Amidiko ny foko
Amidiko ny foko
Amidiko tsy lafo izay mety takatrao ;
Izy aloha tsy lainga fa tsy fo vaovao … ,
Efa niatrika ady fa mbola afaka mitempo ;
Ka sahinao ohatrinona ; fa omeko re mba ho ento .
Amidy izy fa ;
Izy aloha lazaiko fa marefo sy marary ,
Ka mila olon-kafa anie raha toa ka alainao ;
Tsy man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amjra-praise/ireo-vehivavy | IREO VEHIVAVY | Amjra Praise | Haiko ianao fa bandy
nefa mba mianara ihany
hoy aho manaja ireo vehivavy
mantsy ianao ty toa miridana
tsy tana intsony koa
ka mahonena ilay mba ravaka
fa lasa very zo
haiko ianao fa bandy
fa kosa ireo vehivavy
dia tsy sanatria famelaka
fa ireo fanambitamby
io no voninkazo
izay mandravaka tanàna
dia aza av... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tetezana | TETEZANA | Fredy Jaofera | TETEZANA
Indro ny fankaherezana
ka aoka tsy hiahotra
rehefa tanana :
ny vavaka no tetezana
eo amin'ny tahotra
sy ny fiadanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/ianao-lay-tena-namana | Ianao lay tena namana | Frederic Rnf | Ianao lay tena namana tsy mba manavakavaka
Na dia fantatrao ary fa mahantra ny tenako
Tsy misy an'iza itarainana sy mba ianteherana
Fa dia miady irery amin'ny ity hamafin'ny fiainana
Ny manodidina mankahala sy mandrora ahy
Fa ianao kosa tsy mba nanao toy reny
Niaro sy nitantana ahy tamin'ny lalana nalehako
Niari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/madagasikara-sy-ny-voary-ny | Madagasikara sy ny voariny | Frederic Rnf | Maro ny firenena manana ny voariny
Fa i Gasikara Nosintsika tsy mena mitaha
Tsy ho resin'ny maro fa dia manana ny lanjany
Raha resaka voary no ho jerena sy ampitahaina
Manana ny voary maro izay mampiavaka azy
sy ireo vokatra voajanahary toy ny lavanila
Izay afaka mifaninana amin'ny firenena maro
Afaka mijoro at... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kintanny-natiora/veloma | Veloma | Kintan'ny Natiora | Veloma ry ilay saika hiantahantana
Veloma masina raha toa ka tsy hitoetra
Nataoko ho vato mba azo hiantefana
Kinanjo nandratra fa tsy mba nitsetra
Fa ny eto tsarovy tsy hanozona akory
Ary koa sanatria tsy handray ho fahavalo
Izay vita dia sitraka enti - matory
Ny ambiny kosa dia nofy mandalo
Ny fo mantsy na tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/vavaka-20 | Vavaka 2.0 | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Tompo o
Mba fenoy fitia ny foko
Hahay mizara ilay fitiavako
Amin' ny maro mitoloko
Dia reo rako sady havako
Ampodio antsaiko foana
Ny atao hoe fitsitsiana
F' any ho any misy noana
Sy mizaka tsy fisiana
Ataovy tsapako ombieny
Fa be sy maro ireo tomany
Miaina fahoriana ireny
Nefa izaho aty hifaly
Tsy, tsy ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raintah/zoky | Zoky | Raintah | Zoky ô
Aiza ho aiza re no misy anao eh?
Fa tena mijaly loatra ireto havanao
Miaina anaty fahantrana lalina moa ve izany tsy hitanao
Miangavy, mitalaho aminao re mba hanavotra izato tanintsika izao
Zoky ah!
Fantatrao moa ve fa zara raha miaina sisa, eny miaina ihany fa mandohalika sy mandady
Indrisy ehn firenena... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-mifoha | NY MIFOHA | Fredy Jaofera | NY MIFOHA
Hainao moa
ny mandrara
ny misy ho lavitry ny rofy ?
Ny mifoha
no fomba tsara
hanatanterahana ny nofy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faby-ratsimba/mila-ezaka | Mila ezaka | Faby Ratsimba | Ny lalan-ko diavina
Dia mila ezaka
Ezaka izay hampandroso lalina
Mba tsy hampiverin-dalana na koa hampitolefika
Ny sampatsampana tsy maintsy misy
Ny manalokaloka tsy maintsy ho dify
Fa ny tanjona dia ny ho tonga
Na dia lavidavitra be kitohatohatra amam-bonga
Tombon-dahiny ny fananana foana fiaretana
Sy ny hery... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/feno-haizina | FENO HAIZINA | NY Andri-Fara | FENO HAIZINA
Hafahafa izany vanin'andro izany
Sa izaho mihitsy no tsy maharaka !
Izay jerena maha fanina....,
Mankaleo sangodim-panina .
Mandeha ianao mba hizotra...
Handeha fiara fitanterana
Fa angaha misy te hahalala akory
Fa ao anaty fiara no mifoka sy migoka !?
Raha mba miteny ianao
Vono sisa no tsy ho az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/hajanoko-ho-nofy | Hajanoko ho nofy | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Hajanoko ho nofin'ny torin'ny marainako
Izany hasambarana niriko ho anilanao
Ho foanako ny tanjona ambon'ny fisainako
Hiova lalan-kafa tsy misy dia-nao.
Hajanoko ho nofin'ny torimason'ny alina
Monja ihany sisa ny te hahita anao
Fa toeran-kafa indray no irosoako lalina
Dia fonenan-kafa tsy hahitako anao.
Hajanok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/drafitra | DRAFITRA | Fredy Jaofera | DRAFITRA
N'inona n'inona re, roky,
ny ezaka hamparanitra
tsy hitrangan'irony jafa,
ny olona izay matoky
ny drafitr'Andriamanitra
dia tsy manana hafa !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mitia/dada | Dada | Mitia | Mitomany mangina amin'ny andro sasak'alina
Miredy am-pitoniana ireo zay nofinofiny
(ho an'ny sombin'ny ainy)
Fa fanirian'ny fony ary sitrany ho lalaina
Ny zanany mba hendry mitovy ny an'ny sasany
Rehefa hivoaka ny trano,dia mianjaika akanjo raitra
Miaraka eny an-tanana ny finday hiaka farany
Izay ny nofinofiny h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafintsalama-josefa/ilay-dobo | Ilay dobo | Razafintsalama Josefa | Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa:
ny morony tontolo, zozoro manga taho;
anivony, tatamo mivela-bony soa;
ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho
He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana;
ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho;
tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana;
vivy no miria eo fa miery tsimilaho.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/avelao-hiraraka | AVELAO HIRARAKA | AORN | Rehefa injay mandrahona
Sy matroka ny andro:
Hanorana izy izay...
ka ialohavan’erika
manify mifanesy
hamonto tany hay
Ny foko koa mazàna
Raha sendra mba mangorana
Na koa mamelovelo...
Hirotsaka tsy ho ela
Lay vongan-dranomaso
Voasedran’alahelo
Dia avelao hiraraka...
Mantsy raha tsy izany
Handrehitra herin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tohiny-madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitriny | TOHINY / Madagasikara : Ny Lasa sy ny Ankehitriny | NY Andri-Fara | TOHINY / Madagasikara : Ny Lasa sy ny Ankehitriny
1.4.1 Ireo soatoavina tsy afa-misaraka amin’ny Malagasy :
Andeha aloha isika hijery manokana ny mahakasika ny :
Ny Fasana : Azo atoa hoe lavitra ihany ny lalana nizorana mba hatongavana amin'izao fotoana izao raha mikasika ny fanantanterahana ny fasana teto Imerina n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ho-sangany-aty-afrika | HO SANGANY ATY AFRIKA | AORN | “Isika no ho sangany aty Afrika…”
Fandrenao matetika sy averimberina
Fa rehefa tomorina toa fikafika
F’izay tena marina no afenipenina
Ny vidim-piainana miakatra hatrany
Toa mila tsy ho takatra hatramy sakafo
Ny taham-panjifàna ambany dia ambany
Ireo kojakoja no jifaina lafo
Dia zara raha afa-mijoro isan’andro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tbingy/indray-androany | Indray androany | T'Bingy | Valala misidina
Mitady ny hanin'mba hoanina
Ny eto dia sahan'pary midadasika
Feno sokina mankadiry tanana,
Tanàna somary kely,bitika
Nefa matetika feno hazavana
Mandrotsirotsy matetika ny soratra
Manaraka ny fidobokin'fo,
Manoratra eto aho
Fa matetika misy ambara,azo ambaraina
Momban'ny..
Androany,Rahampitso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikalo-tantely/eny-malala | Eny malala | Nikalo | Raha ho avy malala ilay tsy azo hidifiana,
Ilay ora voatendrin’i Ray ao ambony;
Ny mamy aza adino, sy ireo hafaliana,
Fa ny vatako kosa efa tsy eny intsony!
Eny malala, raha ho avy ny androko,
Ka ho vato indray no varavarana hidirako;
Kalokaloy sy antsao re ny hirako,
Mahereza malala f’izay no efa anjarako!
Bet... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhtl-rafahatelo/fitia-hafa-kely | Fitia hafa kely | RHTL (Rafahatelo) | Tolakandro tamin'ny telo no nahitako anao,
Teny an-tsena tamin'izay.
Tonga aho dia nanantona, tsy nisalasala akory
Ka namoaka vola sy finday.
HAKA SARY!
Minitra vitsy monja dia vita ny resaka natao.
Dia lasa isika nody , niara-nilomay.
Tonga tao an-trano, ,niaraka natory;
Ny andro koa nahamay.
NAHANDRO VARY!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/ry-foko-matoria | Ry foko matoria | eric dgp | Ry foko etsy matoria
Angamba ve ny ankason ny tany no itonjanao fijaliana
Ilay mba sisa kely fifaliana
Niainanao teo anilany...
No lasa tsy nanao veloma ilay any mba silany ...
Ilay nokarakarainy mba hitoerany...
Eny ...!
Mionona ry foko kely tia
Tsy nahatokana ho anareo ny hiara dia
Eny mitsangana....
Na dia... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.