url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/nofinofiko-maraina
NOFINOFIKO MARAINA
AORN
Nofinofiko maraina Raha mba nakanaka aina Zato ianao ry Gasikara Nosy meva tena tsara Fa voaravaky ny ala 'Reo tanety sy ny vala Maitso màvana aok’izany No mandravaka ny tany Voron-kely maromaro Miara-dia mifampiaro Fa ny biby fiompy kosa Dongadonga sy miavosa Renirano mikoriana Mikodia toa mahavariana T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/segondra-fotsiny
SEGONDRA FOTSINY
Lantorose
Tiako ianao mba haka Segondra fotsiny ihany Ny toeran'izy ireny. Tsy hoe akory hitafy ny lamba itafiany Na hihinana ny fako teny an-joridirany Tsy hoe hiara-hatory hitafy lanitra aminy Hiaritra hatsiaka sy ny orana etsy an-daniny Fa hiaina an'eritreritra ny fiainana itolomany Tiako ianao hiaina Segondra fotsin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/aiza
Aiza?
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Aiza ianao r'ilay anjara? Raha mbola ao dia mamalia. Aiza ianao f'ilay tantara Toa efa trotraka, malia. Tsy ho foana foana mantsy Ny lisintsika no tanora, Ka raha ho ela toa tsy ho tanty, Sy tsy ho zaka moramora. Raha mandre ianao tongava Fa miandry ilay irery, F'andrao ilay zaridaina rava Dia hankaiza no hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manahyy
MANAHYY
Fredy Jaofera
MANAHY Tsy mandany fotoana amin'ny olo-nandratra itony fo amam-panahy fa dia tena nahamoana tsy nampoiziko hihatra ny nisy ka eto manahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijosiana/andao
Andao
Rijosiana
Indro aho fa tonga Tonga mandondona ny fonao ka mba vahao Tsy hananihany sanatria no anton-dia Fa tonga hamboraka fitia Tokana, anjara zegny araiky Ka tsy iandrasako ela intsony fa sao dia taraiky Aleo ny fo no hiteny, ny saina mandefitra Ela niandrasana, androany tapa-kevitra Fitiavana hafa kely toa tsy misy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/arivo-fandrosoana
ARIVO FANDROSOANA
Lantorose
Ho aiza re isika ry Gasikara tiako, No dia maika loatra hanenji-pandrosoana? Tsy vonona hamantatra izay ho vokany rahampitso, Fa nahajamba loatra ny fanatontoloana. Ho aiza izato dia mitrifana aok'izany, Nanariana ny lamba nirakofana fahiny? Toa satrinao ny hanidina sy tsy handia tany, Fa maika loatra hanenjika ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/ndao-amboly-hazo
Ndao amboly hazo
Frederic Rnf
Ndao re isika iaraka ientana itady zavatsoa Hikolo ny tontolo manodidina ahy sy ianao Hanaja sy hitandrina ary anampy ireo voary Izay napetraky ny Tompo manodidina atsika Andao amboly hazo mba iarovana ny tany Mba ho alokalofana refa any aoriana any Hitsinjovana ny taranaka sy ireo zandry aty apara De samy mahaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-lehilahy
IZAY LEHILAHY
Fredy Jaofera
IZAY LEHILAHY Tsy afa-mivelatra izay tsy sahy manova taraina ; tsy manana elatra izay lehilahy tsy manan-tsaina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankalo/malemy
Malemy
Riankalo
Eny,malemy Mitoetra ho alokao fa tsy sahy mamoaka teny Na lala-mikodàna Tsy sahiko banjinina ny masonao mazàna Matetika tomany Mahita anao voarombaka amin'ny antso sesilany Fa dia tsy sahy mandroso D'aleoko aloha mijanona ho tia an-tsokosoko Asa hoe nahoana? F'ianao no anoloana dia mangovitra sy moana Mangena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ianao-no-antenaiko
IANAO NO ANTENAIKO
AORN
Ray o! Mba lasalasa ihany Ity saiko adaladala Ka manontany tena: Nahoana ary aho no "ary" Kanefa fijaliana No entiko am-babena? Sa nisy tany aloha Zay sahy nanota fady Nanao fanahy iniana? Ka ozona no sarany Ho an’izay taranany ka miatra aty aoriana? Sa misy fisedrana Asetrinao ny tenako Hitsapa ny finoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-tononkalo
NY TONONKALO
AORN
Fehezan-kevitra mirafitra, mifono hafatra hampitaina Soratra mitohy miandalana, mampanintona mpamaky Miantsa vetsovetsom-po, ny hafaliana, ny taraina Na ny tsara tiana aseho, na ny tongo-bakivaky Ny Tononkalo tsara indrindra ? tsy misy aloha ny fanaperana Fa ny fo 'zay resy lahatra, no mamaritra izay tiana Ny ady...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/velon-dreny
VELON-DRENY
Fredy Jaofera
VELON-DRENY Ireo velon-dreny dia tsy mahalala ny fitahiana azony rehefa mankeny, tsy lazaina adala raha be ny vazony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/fitia-madio
Fitia madio
honenantsoa
Fo madio tsisy tomika Lavorary ho anao irery Ny fitiavana anao miavosa! Zary tombo- kavatsa tsy ho voakosoka Hany mba fehin'ireo teny,fehim-bonikazoko Hafoiko ho anao ny aiko.... ka na Izao tontolo izao tsy harefy ilay fitiavako ao Toky tsy fitaka tsy mba fintana Tsy fandrebirebena na fandrekirekena tena hiti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/david-mpikalo/ity-taniko
Ity Taniko
David Mpikalo
Ity Taniko Ontsa ny foko, raha mahita ity Taniko Anjakan'ny ratsy sy ny tsy fahamarinana Mafy tena mafy ka mila tsy ho tantiko Ny vahoaka ao aminy vao maika mia- sahirana Misy ny mikiaka mafy hoe: vonjeo re! Fa noana Mba mangataka izay mba tolo-tanana Saingy indrisy mantsy fa dia sasam-poana Satria ny ory  tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/trano-bongo
TRANO BONGO
Fredy Jaofera
TRANO BONGO Isaky ny mifoha dia izao no tena mamehy ny lalam-piainako eto an-tany : aleoko kokoa trano bongo misy hehy noho ny trano be misy tomany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/fanaperana
Fanaperana
honenantsoa
Toy ny tsela-baratra ka! Nanaitra tsy satry ny foko sondrian-tory ny hatsaranao, Voary kanto tena miavaka nandalo teo imasoko ianao Fanaperana indrindra rehefa iny ianao mitsiky, Mandrobaka fo mahababo ny fiangolam-peonao Milantolanto, Mandrakotra mandrobona anatin'ny loha Ny endrika sy bika ary momba anao rehetr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mihran/rehefa-tia
Rehefa tia
Mihran
Rehefa Tia Mazàna rehefa tia dia manjombonjombon'endrika Toa manirery izany,lasalasa saina,somary tsy be teny Tsy mahita tory fa mivadibadi-mandry Mitady azy an-tsaina mandrapaha maraina Manantena ny ahita azy, anefa toa mangaina Dia...manontany i zoky Angaha ianao marary e ? Tsy hita izay havaly fa, Manao ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frereric-rnf/zandry-a-mila-miady-ela
Zandry a! mila miady ialahy
Frederic Rnf
Reko hoe mijaly hono ialahy dia mihidy an-trano lava Migogogogo mitomany, milaza fa hoe resin'ny fiainana Kivy ialahy fa ambanian'ny manodidina foana Ka tsy manan-tsaina ny hitraka fa mitady hamoy fo Velom-panontaniana hono ialahy ka mivetso hoe Mba aiza ihany ary izay mba anjara masoandro Aiza ihany izay mba azo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/kozy-mafonja
Kozy mafonja
Rabarison Roberto Stephan
***********Kozy mafonja************ Olty ry bandy eh Elah anie izany koziko izany Elah anie mba natera-behivavy e! Fa aza mba avela izy hitomany Mba manàna ialahy fo mitempo Dia mba fafao ny ranomasony Fa ny alahelo ao am-pony toa manentoeto Mba henoy anie izany antsoantsony e! Ialahy miseo be saina, tsy mba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edenasafira/mba-ampaherezo
Mba ampaherezo
Kintan'ny Natiora
Ry tampon-kavoana tsy ilaozan’akanga Ry bozaka lava fierem-borokely Ry ala fonenan’ireo voromanga Mba ampaherezo ny fo izay voavely Ry rano madio izay misosa any an’ony Ry rivo-malefa-pitsoka any ho any Ry vola-mazava mitoetra eny ambony Mba ampaherezo ny fo mitomany Ry masoandro mody madiva hisoka Ry rahona m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mampanahy
MANAHY
Fredy Jaofera
MANAHY Tsy mandany fotoana amin'ny olo-nandratra itony fo amam-panahy fa dia tena nahamoana tsy nampoiko hihatra ny nisy ka eto manahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iraay/tiako-ho-tantsaha
Tiako ho tantsaha
iraay
Tiako ianao kanefa Tsy mahay manetsa Tsy mahay mikolo Ny tontolo ambanivolo Tiako ho malala Nefa ndrao tsy ho tamana Hanao ny raharaha Fanao-nay eny antsaha Tiako saingy mihaingitra Ka hilaza fa hoe maivoka Sy hanangan-tezitra Raha atao mitaona zezika Tiako ianao ho namana Fa ny mitsongo anana Ndrao tsy h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/farasento
FARASENTO
Fidy Art Niaina
Raha sendra nikopaka nivoivoy Izany elatrao re ry vorona irony Te hiriaria tsy misy roiroy, Angamba tsy te hiverina intsony? Tsy maninona... Soava! Tsara tso-drano ka etsy 'ndehana! Ny jaly toy izao efa fiainako lava Ny tomany dia rano fisotro mazàna Ndehana e! Ndehana... Jereo sy isidino habaka vao! Na tena ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/mitia-mangina
mitia mangina
fanasina7
Fantatro ianao, fa efa manan-tompo Na izaho koa aza, efa manana ny ahy Saingy indrisy re, tsy voafehiko ny foko Mitia mangina anao tsy amin'ahiahy. Vao mamoaka sary ianao, ato anaty fesiboky Dia midoboka ny foko, mitsiriritra mafy Manara-po ny masoko, toa tsy mety ho voky Mitelin-drora, mankafy ... tsy mihafihaf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tianjara-rakotoanosy/rajako-gasy-sy-rajakom-bazaha
Rajako gasy sy rajakom-bazaha
Tianjara RAKOTOANOSY
Ny an’ny tena miavaka raha samy tany Tsy ananam-piry sy tsy ananan’ny maro Mitsiriritra ny any ivelany mba hiaro Ireo,efa nisy fahagolantany very fahatany Hikaroka sy hanovo-hanoro ary hitsidika Nandany vola maro raha nande nisidina Zovy amin’izany moa ny mahazo tombony Avy lavitra any izy fa tsy mba mila tambin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-afaka-nanoatra
TSY AFAKA NANOATRA
AORN
Dia vaka teo ny sainy Niandry lay malalany Nilaza fa nandeha Namita irak’asa Any an-Tanambe Zay faritry Mangoro... Omaly tolak’andro No tonga tao aminy Nilaza vaovao Lay tovovavy namany… Fa efa an’olon-kafa Lay olona malalany Vao tsy ela manko izay Nilokaloka fatratra Sy tena resy lahatra Lay tiany zay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/poeta
Poeta
Rongo
Poeta, Misy fiaina-mbola tsy hary miafina amin'ny rehetra rehetra f'efa vita sarisary ao an-diarin'ny poeta! Misy fiaina-mbola nofy tsy natsaikan'ny fisiana fa poeta no efa nioty teny an'habany mangina! Misy miafina ao anaty, ao anatinao mitoetra saingy tazanao miranty eny an-tsoratra poeta! Nisy koa ny fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/adim-piainana
ADIM-PIAINANA
NY Andri-Fara
Adim-piainana Ny fiainana mazàna Herisetram-pahavalo . Mety ahatoro nofo , Mora sasatra sy ana . Adim-piainana ! sori-tsaina Hakiviana mampivarilavo ; Ka nandaozako ny taniko , Hiadiako ny adim-piainana . Adim-piainana ! Ho resy sa handresy . Fahavalo vonona hamono ! 'ndreo manatona misesy . Avelao ho avy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahita
NAHITA
Fredy Jaofera
NAHITA Mafy aloha ny ady vao indro nahavita ny lahasa ange : ny saina no nitady fa ny fo no nahita ny lalan-kaleha. Fredy JAOXERA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tianjara-rakotoanosy/tontolo-inona
Tontolo inona?
Tianjara RAKOTOANOSY
Fanatontoloina mande tailany Ny zatovo ankilany miala ilany De mba ho aiza re ny alehany Rahatrizay tsy aharaka filàny. Fa Toa varina rendrarendra sy lamaody Tsy ela velona ve : mahery tsy maody? Anatrehan’ity fahantrana toy ny ozona Tandremo fa ny tampoka tsy ampoizina. Fivoharana anambaka tontolo iainana Iva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiambaratelo-17741
TSIAMBARATELO
Fredy Jaofera
TSIAMBARATELO Isan'andro aho dia malahelo, marary ny miaina ; moa ve fantatrao fa tsiambaratelo izany ka zaraina ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/rafahantrana
RAFAHANTRANA
IALY NOFY
RAFAHANTRANA Tsy lehibe tsy zazakely Miandahy sy miambavy . Mitoetra an-tsena foana..., Vokatry ny fahantrana . Miraoka fakofako Mitady ny sakafo . Mangataka etsy sy eroa ; Sitrany ahay mahazo vola . Zazabodo toa adala No mirenireny mahonena . Tsy mba manana akany , Fa tafo lanitra ihany . Ny fitafiana rov...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-halavirana
MILA HALAVIRANA
Fredy Jaofera
MILA HALAVIRANA Matoa mirana dia mba takaro, fantatrao ve ?... Mila halavirana ny ratra maro vao sitrana e !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiambaratelo
TSIAMBARATELO
Fredy Jaofera
TSIAMBARATELO Isan'andro aho dia malahelo, marary ny miaina ; moa ve fantatrao fa tsiambaratelo izany ka zaraina ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tanaty-feo-mozika
TANATY FEO MOZIKA
AORN
Toa rindram-peo milanto Zay kanto tena kanto No Henoko avy hatrany Avy any lavitra any Mangoly ny any anaty Mandrorona tsy tanty fa hira iray manjeny tsy haiko lohateny Kanefa dia naveriko Nohenoina ombieny ombieny Ny hafatra napetrany? Toa mitantara mihitsy Ny fiainantsika roa Tanaty taona vitsy… Fa Mbol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahf/izay-hovadiana
Izay hovadiana
AHF
Tsy ny olona rehetra akory no faka vady Fa mialà nenina, miezaha mitady Jereo ny bika diniho koa ny tarehy Saingy ny toetra no ifantohy be dia be Ry Soazara izao dia sady tavy no volony Jereo anie fa kanto hatramin'ny molony Saingy izy dia loza fa mahay mampirafy Ka mbola hiditra ve dia rehefa ao miafy? Ry Vali...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tiany-ianao
Tiany ianao
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Misy any tia anao, fo tsy fantatrao akory; Mangetaheta sy maniry ny hiara-dalana aminao, 'Zay vao sambany hatrizay, ilay fitiavany natory no indro taitra ka niatsampy, sy miantoraka aminao! Indro ilay fitiavanao no iriany ho amboara, Hetahetany isan'andro ataony anaty tonom-bavaka; Ka ny fiainanao tontolo no nofi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/jesoa
JESOA
Fredy Jaofera
JESOA Jesoa dia fiainana tokony hitarainana raha misy fijaliana tsy fanta-piaviana. Jesoa dia antoka raha te hifantoka amin'ny hazavany tsy misy fiafarany. Jesoa dia lalana tsy tia mahalana raha lamin-tsaina no zavatra ilaina. Jesoa dia Mpanjaka miha-mshazo laka feno fahamarinana misy fanambinana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lalana-mahitsy
LALANA MAHITSY
Fredy Jaofera
LALANA MAHITSY Ny mandeha irery dia tsy olana mihitsy rehefa atao ; tsy nisy olona very tamin'ny lalana mahitsy hatramin'izao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/itokianagasy/resy-tsy-miady
Resy tsy miady ?
ItokianaGasy
Ekeko tokoa fa tsy misy izany Olona iray izay resy tsy miady Fa ity fiainana ity dia ady sy tolona Ary io ny mampiavaka ny mahaolona! Fa raha ny olombelona, tokoa hono mantsy Mikatsaka izay tsara hatrany, Tsy maintsy mitady izay kely ho vatsy Raha te hiadam-piainana, any aorina any! Adalàna ho an'ireo, kivy am-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mendri-paharetana
MENDRI-PAHARETANA
Fredy Jaofera
MENDRI-PAHARETANA Aza mitsetra, ny resa-pitantanana tsy dia fahafinaretana ; izay rehetra mendrika hananana dia mendri-paharetana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitrinytohiny
MADAGASIKARA . NY LASA SY NY ANKEHITRINY....Tohiny
NY Andri-Fara
MADAGASIKARA . NY LASA SY NY ANKEHITRINY....Tohiny 1.3.2.1 . Ny Maha izy azy : Mizara dimy ireo taranaka mpanazary na taranaka vazimba : • Ny Antsilahy • Ny Mpanandro • Ny Mpitana hazomanga • Ny Mpandraharaham-panjakana • Ny Mpisikidy. ( Marihina fa anarana fitsinjarana andraikitra ireo ary mbola lovan-taranany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiainans-tsara
NY FIAINANA TSARA
Fredy Jaofera
NY FIAINANA TSARA Ny azoko ambara hipoiram-pahasoavana tsy hanam-piafarana : ny fiainana tsara dia avy amin'ny fitiavana tarihin'ny fahalalana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hatanorana
HATANORANA
AORN
Ny hatanoràna razandriko zany Dia tontolo kanto hisitràhana tsara Fa eo no mitobaka sy sesilany Ny aingam-pitia sy ny fo taratara Ny hatanoràna kanefa mazàna Mandringotra saina hampanao zay voarara Etoana sendaotra ny fo tsy voatàna Ka tojo hakiviana vao vaky barara Ny hatanoràna rehefa sedraina Dia azo fehezi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/tsiaro-ho-azy
Tsiaro ho azy
Nisainana RAFETRARIVO
Hitako ianao za mody tsy nijery Fa miaritra an'ilay fery Mahatsiaro n'y taloha Ka tohina n'y fo Fitiavako anao mbola tsy niova Toa mitoetra mandrakariva Raha ny faniriako moa tsy hiofo Saingyii........ toa fitia voarirarira Dia mitoetra aretina tsy mety sitrana Izay tsy ahitana fanafody Fa ianao ilay tiany, s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka-tohiny01
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA .....Tohiny
NY Andri-Fara
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA .....Tohiny 1.7.1 Ireo Fanjakana madinika nitsitokotoko : Ny Fanjakana Androy : Izy dia fanjakana nizarazara ihany koa ; ary niady matetika ka naha leo monina ny hafa tanteraka sy nampifindrafindra vohitra azy ireo : Andriamanonarivo ( 1540 ); tao Belanky no renivohim-panjaka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/niverina
Niverina
Rabarison Roberto Stephan
Niverina Toa niverina indray ankehitriny Ireo lasantsika niarahana taloha Dia ilay fahazazana tsy ananan-tsiny Toa mitamberina ato an-doha Noraisiko ny peniko. Dia anoratra indray Ho ranketiko antsoratra ireo lasa hatrizay Tena namana tsy foina raha ianao Ka eny tsaroko foana na hatramin'izao Nitohy ny finaman...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/nofy-mamy
Nofy mamy
Rabarison Roberto Stephan
Nofy mamy Tantara tena mamy Toy ny nosorana tantely Tena lavitrin'ny jaly Fa toa feno anjely Toa niaina sambatra Adinoko avokoa ireo sento Izany no tena hoe tonga lafatra Sy manitra manetoento Toy ny tany am-paradisa Fa tsy niaina teto an-tany Lavitrin'ny fampandrina hajisa Sy ireo sento sy ny jaly Toa ton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-kivy
AZA KIVY
Fredy Jaofera
AZA KIVY Aza kivy na malaina raha manadala ny esoeso ombieny ; ireo tsy manan-tsaina no mankahala amin'ny ankapobeny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/itokianagasy/mafy-tena-mafy
Mafy tena mafy
ItokianaGasy
Mafy tena mafy Izany te ho tafita Ka dia tsy maintsy miafy Raha tsy izany tsy hahavita! Mafy tena mafy Ny mitady ilay maraina Mahatoro izato saina Mahavelona taraina! Mafy tena mafy Ny mitady fahombiazana Eny mbola tena mazana Ny hitady izay tsy tazana! Mafy tena mafy Ny miezaka tsy ho lavo Fa mikatsaka e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/namana
NAMANA
IALY NOFY
NAMANA Ny namana amiko Mifampilaza ny mavesatra . Mifampihinana ny manta sy ny masaka ; Ary mifanome toro-hevitra . Namana ve! Raha tantaraina dia soa tokoa Mampahery raha misy ny manjoa; Fifankatiavana maharitra No nitondrana ny fiainana . Namana ve! Tsy mba manary... Na ny mora na ny mafy Hasambarana hat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ho-malagasy-mendrika
HO MALAGASY MENDRIKA
AORN
Raha nisy nigagàna ho mpiaro fahendrena tsy misy tasitasy Dia isany amy zany, ka nampiaky volana ny Ntaolo Malagasy Tantara nodimbiasana, miampy lova miafina no nampiasàny loha Voasahana am’zany reo riba sy ny fomba amam-panao taloha Fa tamy Ntaolo mantsy, naleony very vola, na ringana sy foana F’ilay fihavanam-ba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fasana
FASANA
AORN
Fasana voarafitra simenitra sy vato Toera-mitahiry taolam-balo ho vovon-tany Ao no iafarana rehefa tapitra sy miato Lay vatana sy nofo nolalaina sesilany Zovy no tsy setry rehefa mbola velon’aina Tsy mahatsiaro akory fa mandalo ety ihany Dia manao zay tiany, mampamelona taraina Ny manodidina azy, ‘zay heveriny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mila-miana-desona
MILA MIANA-DESONA
AORN
Raha tiana hopotehina ny firenena iray sy olona ao aminy Io fampianarana io no ataony farahidiny sy farany ambaniny Tsy misy hirarahiany ny ho avin’ny taranaka voataiza tsy sahala Satria ilay fanabeazana, raha oharina amin’ny hafa, no atao an-jorombala Ireo zay mpanabe, misehatra amy zany, dia zara raha mahazo Zay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mifono-ankamantatra
MIFONO ANKAMANTATRA
AORN
Fony nifanojo ny mason-tsika roa Dia hitako avy hatrany lay tempon’ny fitia Nipololotra anaty Ianao nitsiky kely, izaho moa sakodiavatra Ny fo nidobodoboka, toa mitady hanempotra ka mila tsy ho tanty Fa fotoana fohy, dia tsapako avy hatrany Fa babonao ny foko, toa resy tsy nitolona dia roboka tsy tana Ianao ko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/itokianagasy/tolona-irery
Tolona irery
ItokianaGasy
Inty aho irery Aty an-tanin'olona Hikatsaka ny hoavy! Tsy misy ny mijery Na miaraka mitolona Fa lavitry ny niavy! Hitady ilay maraina Maraina vaovao Izay mbola tsy niposaka! Anefa tsy hitaraina Na koa hoe hitalao Ranomaso tsy harotsaka! Mahaiza re mitady Hoy ilay mpandinika iray Aza manaiky ho resy! Satr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/matimaty-foana
MATIMATY FOANA
AORN
Matimaty foana ireo nitari-tolona Niady ho an’ny taniny Fa ny mahonena, lay Malagasy mihitsy No lasa baranahany Nitolona aman’aina, ireo nafana fo Ny fito amby efa-polo Tsy namela mihitsy, ireo mpanjanan-tany Hanjanaka bontolo Fa nankaiza loatra, lay afom-po tsy maty Nampiavaka hatrizay No ankehitriny indray,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/baraingo
Baraingo????
lain's rakoto
Tsy misy na dia kely Ao andohako ao Diampenina ho anao Na dia kely vary iray venty Ho soratana ho anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hery-hafahafa
HERY HAFAHAFA
AORN
Be ny masaka ao an-tsaina Sady vonon-ko lazaina Rehefa hihaona an-kamamiana Hiaraka amin’olon-tiana Fa re(he)fa tena manoloana ‘Zato vavako toa moana Ankona tsy sahy miteny Vao banjininao ombieny Misy hery hafahafa Tsy ahafahako mitafa Zay voalahatra ao an-doha Fa hoe ambarako amy fo Zany angamba lay mitia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/namana-marina
NAMANA MARINA
Fredy Jaofera
NAMANA MARINA Tsy ny resa-barotra nisy anikeheo no tiana hitarina ; ny fotoan-tsarotra dia mampiseho ny namana marina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/ilay-fitiavana
Ilay Fitiavana
Rabarison Roberto Stephan
Hay ve ny fitiavana mahafaty Isan'andro mitia, isan'andro ianao miafy Miafy fa tena tia nefa ampahoriana 'Ty fitiavana ity kay mampitondra fahoriana Raha izaho aloha, aleoko mitia amin'ny vava Dia mitsiky foana na ilay fitia ary efa rava Fa raha mitia olona tena amin'ny fo Dia mety ho simba ianao fa lasa kitoato...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitriny
MADAGASIKARA . NY LASA SY NY ANKEHITRINY
NY Andri-Fara
MADAGASIKARA . NY LASA SY NY ANKEHITRINY Fanamarihana : Ny Sary izay nampiasaina eto dia nalaina tamin’ny « Site Internet » Nisy ihany koa ny sary nalaina sy natao « photosoph ary tao amin’ny tranokala » Teny Fanolorana Teraka tao amina tanàna iray antsoina hoe : Sahamaro Andrainjato izy . Fokontany iray ao anatin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hafahafa-toetra
HAFAHAFA TOETRA
AORN
Injao fa mitomany Mifokofoko irery Lay zaza an-tsisin-dalana Kamboty velon-dray Tsy manan-kianteherana Tsy manam-pahafahana Fa etsy an-kilany etsy Lay zandry menavava Tafiana lamba rovitra Tezain-drazoky vavy Torevaka sy noana Mijaly sy mangovitra Dia iny lay mpivavaka Nivoaka ny fiangonana Nandalo dia ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eny-an-tsisi-maso
ENY AN-TSISI-MASO
Fredy Jaofera
ENY AN-TSISI-MASO Eny an-tsisi-maso, mbola misy ranomaso mandena ny tarehy tsy mba mihomevy fa manana alahelo ito fo mamelovelo mampahory fatratra raha toa manafatra ary tsy mahay misava fa mitoetra lalandava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsofiko-rano
TSOFIKO RANO
AORN
Tsofiko rano hahita ny mamy zany havako zany Ho tody amy tanjona efa niriana, ho tojo zay tiana Ny lalana Mbola hodiavina etoana, dia mila fotoana Tsy mora ny sakana sy sotasota ka aza manota Mety mandalo hakiviana mazàna, ka sao tsy tamàna Toneo tsy hisendaotra ny fo sy ny saina ndrao manapak’aina Ny velona mank...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mo-zo/teny
Teny
Mo-zo
Teny tsotra tsy mba hoadinoana Teny kely kanefa inoana Tsy voatery tononin'ny vava Fa fihetsika dia mahavoazava Teny mora tononina ihany Kanefa tsy mety voavaly Teny mafonja tsy manam-paharoa Fa dia mifikitra tsy afak'andoha
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/dada-ihany
DADA IHANY
IALY NOFY
DADA IHANY Raha tonga teto an-tany Ka nanomboka niteny... Nibadabada niantso Dada, Io no tao am-bava . Izy no natao hamelona Hahatonga anay ho olom-banona . Dada ihany,Dada indray... Izy no mikarakara anay . Raha jerena amin'ny fo tsy miangatra Tsy mba taitra firy , toa tsy rototra . Mijery lavitra ...tsy mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/iny-volana-iny
INY VOLANA INY
AORN
Iny volana iny tazanina avy lavitra No seram-pifandraisan’ny foko sy ny anao Rehefa te handinika ny tarany maharitra Dia indro fa miampita lay hery miha-vao Ny hafatra nalefako, moa efa lasany any Inoako fa ho tonga tsy hoe ela eny aminao Miaro sarin-teny lay tsiky sy tomany TSy sarotra fantarina ny Felana sy ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mifaningotraina
MIFANINGOTR'AINA
AORN
Rehefa sambatra izy, d’zay no hasambarako Mantsy efa mafy loatra ny fiainanay ety Fa efa tsinjoko any ny lalan’ny tantarako Tsy avela mba hisambatra ny hatsaran’ny fitia Rehefa maloka izy, d’izaho no malahelo Fa fantatro avy hatrany ny ratra avy ao am-pony Ny angolangolan-tsentony, no injao mamelovelo Sakanana t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/tena-tia
Tena Tia
Rabarison Roberto Stephan
Malala o ! Na marary ary aho Dia ny foko tia anao Tsy anio ihany anefa izany Eny tiako ianao , hatrany am-parany any Malala a! Mba renao ve ny foko mitepo Toa tsy mety tony fa tena reko Hoe tia anao aho, tena diso tia Ka hiaraka aminao aho, eny ho doria Malala ho'aho ! Mba fantatrao ve fa ianao tena tiako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/fiainana-an-tany
FIAINANA AN-TANY
IALY NOFY
FIAINANA AN-TANY Ny Fiainana eto an-tany Dia misy tsiky sy tomamy . Mety hisedra ny mafy ianao ; Fa fitsapana ihany izany . Ny Fiainana eto an-tany Maro fisedrana ihany . Ao ny tsiky hifaliana ?! Ao koa anefa ny tomamy sy ny fijaliana . Tsy hoe, lahatra ny fahoriana Ka izany no hakana aretim-po . Aza kivy .....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mo-zo/tsy-sahy
Tsy sahy
Mo-zo
Tsy sahy aho raha anambara Hoe manam-pitiavana anao Tsy sahy aho ny hiantso malala Matahotra atao kilalao Rehefa matazana anao Dia mivatravatra ny foko Kanefa tsy sahy aho , lazao Matahotra ny ho toloko Rehefa hiresaka anao Dia iny aho fa mihaotra Tsy sahy aho ka ambarao Fa tena voafehin'ny tahotra Ny fahat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsiky-anaty-haizina
TSIKY ANATY HAIZINA
NY Andri-Fara
TSIKY ANATY HAIZINA Noheveriko fa banga ny tontoloko Tsy noheveriko ho solafako ny diako . Mifamatotra amin'ny Aiko ilay tantarako , Kanefa vahotra toa miahotra mangovitra..., Ilay malala mba nantenaina nanolotra lamosina Ireo mpiara-miasa nandatsa tsy ankolaka . Ny namana rehetra nandoro ny fisiako ! Izay rehe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/zandry-a
ZANDRY A
IALY NOFY
Zandry a! Aza mora mitanondrika Fa mbola maro ireo hoavy banjinina Ka sao dia reraka ao Ilay hery nikoloana sy nizaka ady mafy Zao kia ry zandry a ! Io fiainana lalovanao io Tsy mba misangy aminao Fa ny tanjona atao ambony Dia ho mpandresy ianao Fa izay ry zandry No mba hafatrafatra aty Ka mahereza foana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-tena-namana
NY TENA NAMANA
AORN
Ny tena namana… Tsy mandao anao hatrany amy ny andro tena sarotra Tsy mila sitrany aminao, tsy mitady tombom-barotra Fa mamonjy sy misaina, mba tsy hahatonga anao hivarina Tsy manao zay kajikajy hanafenana ny marina Ny tena namana… Tsy manao ny toky ho fitaka, fa mitàna izay tenenina Tsy misorona miteny, tsy mis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka-tohiny0
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA , Tohiny
NY Andri-Fara
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA , Tohiny 1.5.3.1 Antampon’ i Vinany [20] Efa voalazako tery aloha ny olana mahakasika ny tantara niandohana , kanefa tsy sakana ho ahy mihitsy ny tsy hanambara , na haneho izay fikarohana nataoko. Nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana sy ny fikarohana ireo vavolombelon’ny tan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/gidragidra
GIDRAGIDRA
Fredy Jaofera
GIDRAGIDRA Gidragidra no aloka tonga, izay tokoa fa tsy somonga rehefa tsy sainy ny tanjoko sy tsy nomeny ny akanjoko. Gidragidra no nisintahana fa vava lava no niarahana, fosa sy latsa no navoitra fa tsy fitia no nipololotra. Gidragidra no nandosirana fa nanadala ny fifandirana, nahakivy ombieny ny fony ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tebiteby-mafy
NY TEBITEBY MAFY
Fredy Jaofera
NY TEBITEBY MAFY Ny tebiteby mafy tsy nitsaha-nifafy no nanosika hatrany ho olona eto an-tany. Ny tebiteby mafy tonga nampihafy no namoha torimaso, na teo ny ranomaso. Ny tebiteby mafy feno ratra natafy no nampijoro foana ny tena, na ahoana ? Ny tebiteby mafy tsy mahalala rafy no nitondra fitahiana higa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fifikirana
FIFIKIRANA
Fredy Jaofera
FIFIKIRANA Ny fifikirana amin'ny Ray, fandosirana ny ota izay. Ny fifikirana amin'ny tsara, mahamirana rehefa anjara. Ny fifikirana amin'ny tiana, avy hangirana iny fihobiana. Ny fifikirana amin'ny Marina, tsy hifandirana amin'ny nivarina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ampy-izay
AMPY IZAY
NY Andri-Fara
Ampy izay Zandry a Firy taona moa naha Firenena antsika ? Fa toy ny vao omaly no nampifoha ny tsiahiko ! Mandroso mihemotra...Mihemotra mandroso ; Aiza ho aiza isika ankehitriny..., Fa izay jerena mamiratra aoka izany Loto mihaingo , tsikoko tsy voadio; Kanefa dradradraina manoloana ny ampintsoko . Ireo voafid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-tohizana
AZA TOHIZANA
Fredy Jaofera
AZA TOHIZANA Tsy hamizana, fangatahana mahatazana ambiaty : aza tohizana tondrahana ny voninkazo maty.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/raha-izaho-ny-tamy-toerany
RAHA IZAHO NY TAMY TOERANY
AORN
Henoy ange e! Maika ery ianao hitsara fa mpamadika Jodasy Lehilahy tsivalahara feno pentina sy tasy Alaim-panahy ianao hiteny hoe: “raha izaho ny tamy toerany, ho laviko ankitsirano ny vola sy ny fanaperany” Fa manoatra noho Jodasy ianao mivadi-belirano tamin-ny toky izay nomena, fa hanaja tokantrano Jereo ange ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tantara-mahory
TANTARA MAHORY
Fredy Jaofera
TANTARA MAHORY Raha toa ireny mitsetra ka tsy mety mahita tory fa latsa-tomany, ireo izay tafita rehetra, manan-tantara mahory any anatiny any.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/tanindrazako
TANINDRAZAKO
IALY NOFY
TANINDRAZAKO Teny roa natambatra Tany ampiana razana, No manome anao; Ho lasa Tanindrazako Raha mbola hasambarana Ao aminao no ahitako izany, Raha mbola hatsarana, Gasikara tena tsara . Tanindrazako lalaiko Ao no miainga ny kanto . Sy tantara maroloko ; Tena mamy sady toa tsy foiko . Ao aminao no misy ireo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjakatohiny
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA...Tohiny
NY Andri-Fara
a . 1. Ireo lalao teto Imerina fahizay : Ireo Haihady teto an-kibon’ Imerina Fahizay : ( Izy ity dia , notsongaina tao amin’ ny boky iray atao hoe : « Antananarivo Fahizay » izay nosoratan’i Rainitovo ) (...) Mandre ny horakoraka ny Andriana Rabodonandrianampoinimerina ka manontany matetika hoe : « Inona ihany i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/romi-voos
Romi Voos
fanasina7
Rodana ianao, fa tsy nisy mba nitsetra Niàla maina avokoa, ny akôlitanao rehetra Na ilay filoha "werawera", nolelafinao vody Tsy nahavita n'inon'inona, mba nitondra anao nody. Ny fitsaràna eto Dago, no mety azonao vidiana Fa raha ny any an-dafy any... tena tsy azonao kôtiana Ny eto na ny mainty aza, tena azonare...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ho-velona
TSY HO VELONA
Fredy Jaofera
TSY HO VELONA N'inona n'inona ny marainako mamoha andro vao sy mitady izay halamiko, tsy ho velona ange ny fiainako raha tsy misy anao hifanpitantana amiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maraim-baovao
MARAIM-BAOVAO
Fredy Jaofera
MARAIM-BAOVAO Maraim-baovao no mipoitra sahady, indro angataho 'zay tiana hianjady. Maraim-baovao no mamoha etoana, inty re anjakao ho feno haravoana. Maraim-baovao no mandrehitra asa, indro ampiasao hisosa izay kinasa. Maraim-baovao no manana hafatra tsara ho anao hitandro ny lafatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/nilaozany
NILAOZANY
AORN
Resadresaky Faly sy Joro (ilay nilaozan'olon-tiana)---Natao fitenin-jatovo F: O leisy !!! Fa nahoana moa elah No malahelo sy manjombona? J: Nilaozan-tiana leisy zandry a! De lasa saina tsy mah(a)tombona F: F’angah de tena fanamperana Lay tian’lah no manjoretra ? J : Ny saiko anie te hanadino e ! Ny fo tsy mety...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rahoviana-vao-hiova-i-dada
HALEMEN'I DADA
AORN
Mamo izy dia narapany miaraka amy toaka tapany Reo atin-kena teny an-tanany, zay loaka ho an’ireto zanany Fa mila sambatra hono izy, ka mandefitra ny ankizy Ef’ela tsy nisotro djama dia avy miakatra an-tanana… Ny ao an-trano anefa miandry f’efa kepaka ry zandry Ny varisoa moa efa masaka fa najanona ny katsaka F'i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-toa-anao
RAHA TOA ANAO
Fredy Jaofera
RAHA TOA ANAO Raha toa anao no tonga amin'ny tena, be no handao ny alahelo mahonena. Raha toa anao no raozy izay mitranga, hisy ireo lalao sy hira hanangasanga. Raha toa anao no kintam-pahazana, hisy ao ho ao ny tsiky tsy hay ialana. Raha toa anao no mpamboraka fitia, hisy sioka vao ny fiadanana ho dori...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misaora
MISAORA
Fredy Jaofera
MISAORA Ny tari-dalana iray, na nahalala ny tsetra mbola tao ho ao : misaora amin'izay zava-mitranga rehetra amin'ny fiainanao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rp-vincent-rafenosoa
RP Vincent RAFENOSOA
AORN
Tonokalo natolotra ho an'i RP Vincent, Vicaire tao amin'ny Paroasy Manjakaray, ary voatondro ho Cure any Andilanatoby Ambatondrazaka Zovy tamintsika moa, no tsy mahalala azy Fa tena olona mavitrika, no sady tsy mitsoaka ady Vikera tsotra tena miavaka, no mpanompo tena havànana Mampiray ny isam-paritra mba handala f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ayan
AYAN
NY Andri-Fara
Ayan Saya tidak tahu kenapa? Pergi: Dimana!? Kecemasan penuh dengan ketakutan! Air mata yang tak terkendali. Ke mana dan ke mana? Mungkin dia sedang berpikir…. Beginilah cara mereka berjalan; Untuk menyelamatkan hidupnya. itu ayah... Memikirkanku Tapi itu tidak ada dalam diriku lagi! Badabada ketika saya ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/antsandrinolon-tiana
AN-TSANDRIN'OLON-TIANA
AORN
Fony vao nifankahita Ka nanandrana nitia Dia satry ery hiara-mita Ity fiainana eto ity Dia nandalo ny fotoana Latsa-paka lay fitiavana Lasa toa nifampitoana Nampitombo lay finiavana Dia nalaina hifandao Rehefa tapitr’andro hariva Fa ny fo tsy nety lao Te hiangaly feon’antsiva Rehefa tonga indray ny alina N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rf-ravakiniaina/manova
MANOVA
RF Ravakiniaina
MANOVA Dieny mbola ts'isy fatotra Dieny mbola ts'isy geja Raha fiarahana tsy matotra Aza manefy rohy tsy hateza Dieny mbola ts'isy ratra Dieny mbola ts'isy folaka Raha efa tsapa fa tsy zaka (Dia) aleo hiakatra ny soratra Dieny mbola ts'isy antoka Dieny mbola ts'isy vina Raha efa hita fa hidaboka (Dia) aleo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maraina-mangina
MARAINA MANGINA
Fredy Jaofera
MARAINA MANGINA Maraina mangina ny marainako etoana maneho fitokiana sy mivoy haravoana. Maraina mangina mamoha andraikitra tsy tia hakiviana fa tonga dia raikitra. Maraina mangina mamelons ahy adidy izay mba irariana ho eo ihany ny safidy. Maraina mangina manan-drivo-baovao ka indro ampiana vetsovetso ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-alika
NY ALIKA
Fredy Jaofera
NY ALIKA Raha adika, antitranterina izay ao an-dohany dia ny alika no miverina amin'ny efa naloany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-zanako
Ny zanako
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ilay tena hasambarako Hameno ny hafaliako: Ny fahendren'ny zanako Mandritra ny fisiako. Ny tena ihafiako Mandritra ny ahavelomako Dia ho an'izy tiako No antony hitolomako Ny teny faniriako Any anatiko any Dia 'zay ho fijaliako Hahasambatra azy hatrany Ny fara-fitiavako Tsy haiko tanisaina Ny tokiko sy voa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mahavidy
TSY MAHAVIDY
Fredy Jaofera
TSY MAHAVIDY Hoy ny didy tsy hita hifarana, na ho tola : tsy mahavidy fahasambarana ny vola.