url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/nofinofiko-maraina
NOFINOFIKO MARAINA
AORN
Nofinofiko maraina Raha mba nakanaka aina Zato ianao ry Gasikara Nosy meva tena tsara Fa voaravaky ny ala 'Reo tanety sy ny vala Maitso màvana aok’izany No mandravaka ny tany Voron-kely maromaro Miara-dia mifampiaro Fa ny biby fiompy kosa Dongadonga sy miavosa Renirano mikoriana Mikodia toa mahavariana Tovovavy miara-paly Hita lavitry ny jaly Etsy koa reo trano bongo Toa miray sy mivangongo Tsy mihidy varavarana N’aiza n’aiza kihon-dàlana Dia maneho firaisan-kina Tena sarotra vakiana... Raha ny mponina ao indray Tsy baikoana fa miray Fa ny tanjona iombonana Dia tsy misy miolankolana Fa mitambatra ho vato Ka mifankatia tsy miato Hita eo am-bavahady Misy soratra mandady: “tsy misara-mianakavy” “Tsy voaravan’ny mpiavy”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/segondra-fotsiny
SEGONDRA FOTSINY
Lantorose
Tiako ianao mba haka Segondra fotsiny ihany Ny toeran'izy ireny. Tsy hoe akory hitafy ny lamba itafiany Na hihinana ny fako teny an-joridirany Tsy hoe hiara-hatory hitafy lanitra aminy Hiaritra hatsiaka sy ny orana etsy an-daniny Fa hiaina an'eritreritra ny fiainana itolomany Tiako ianao hiaina Segondra fotsiny ihany Ny fiainan'izy ireny Tsy hiaraka handraraka hatsembohana aminy Na hiaraka hitantana ny arivo kely ho hoaniny Tsy hoe handratra fo amin'ny eso ,latsa iainany Fa fotsiny hahatsapa ny mangidy tsy itarainany Eny hahatsapa ny sedram-piainana diaviny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/aiza
Aiza?
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Aiza ianao r'ilay anjara? Raha mbola ao dia mamalia. Aiza ianao f'ilay tantara Toa efa trotraka, malia. Tsy ho foana foana mantsy Ny lisintsika no tanora, Ka raha ho ela toa tsy ho tanty, Sy tsy ho zaka moramora. Raha mandre ianao tongava Fa miandry ilay irery, F'andrao ilay zaridaina rava Dia hankaiza no hiery? Aiza ianao ry ho tiako No ho tsinjoko tadiavina? Aiza ianao ho fifaliako, Sy ekeko mba ho tiavina. Sao angamba ho tara loatra, Raha aoriana ianao vao avy, Ka indro aho efa any ankoatra, Vao hanorenanao ny voady. #vonjisoa_ANDJANIRINA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manahyy
MANAHYY
Fredy Jaofera
MANAHY Tsy mandany fotoana amin'ny olo-nandratra itony fo amam-panahy fa dia tena nahamoana tsy nampoiziko hihatra ny nisy ka eto manahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijosiana/andao
Andao
Rijosiana
Indro aho fa tonga Tonga mandondona ny fonao ka mba vahao Tsy hananihany sanatria no anton-dia Fa tonga hamboraka fitia Tokana, anjara zegny araiky Ka tsy iandrasako ela intsony fa sao dia taraiky Aleo ny fo no hiteny, ny saina mandefitra Ela niandrasana, androany tapa-kevitra Fitiavana hafa kely toa tsy misy mpanana Ilay foko tokana hatrizay, vao nahita anao, nahazo namana Fitiavana sendra nandalo avy hatrany dia naka toerana Vao nitsiry toa tonga dia namelana Tsy sanatria hoe vazivazy Fa efa ianao mihitsy no nosafidin'ny foko ho azy Fitia matotra ny ahy, sanatria ny hoe hanadala Ka andao, andao fa aza misalasala Vonona aho ny hanaja sy hikolokolo ny fonao Indro raiso ny tanako ka andao Efa tsapako fa ianao ilay anjara Ka etsy hatombontsika ny tantara Tsy sanatria hoe ankaterena Ary misy antony matoa ny lalan-tsika nifanena Ka andao, andao fa aza misalasala Andao re ry Malala
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/arivo-fandrosoana
ARIVO FANDROSOANA
Lantorose
Ho aiza re isika ry Gasikara tiako, No dia maika loatra hanenji-pandrosoana? Tsy vonona hamantatra izay ho vokany rahampitso, Fa nahajamba loatra ny fanatontoloana. Ho aiza izato dia mitrifana aok'izany, Nanariana ny lamba nirakofana fahiny? Toa satrinao ny hanidina sy tsy handia tany, Fa maika loatra hanenjika ny fomban'ny vahiny. Ho aiza ireto zaza toa mihaingo fatratra, Mirantina firavaka tsy fantatra fihaviana? Tsy tazako intsony ireo miravaka ny vakana, Fa fatim-by sy ankoso-bolamena hono no tiany. Ho aiza ireo tanora fatratra mpitady, Ny lazainy ho fandrosoana miparitaka any am-pita? Tsy fantany intsony hoe misy ny olom-pady, Fa ny tokony hafenina no aderany ho hita. Ho aiza re isika ry Gasikara tiako, No arivo fandrosoana amin'ny randra-tsy manendrika? Mba liana aho hahafantatra ny toerana hitodiako, Aoka ho sanatriaviko; sao sanatria ho rendrika.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/ndao-amboly-hazo
Ndao amboly hazo
Frederic Rnf
Ndao re isika iaraka ientana itady zavatsoa Hikolo ny tontolo manodidina ahy sy ianao Hanaja sy hitandrina ary anampy ireo voary Izay napetraky ny Tompo manodidina atsika Andao amboly hazo mba iarovana ny tany Mba ho alokalofana refa any aoriana any Hitsinjovana ny taranaka sy ireo zandry aty apara De samy mahazo tombotsoa isika amin’izany Misy fafinaretana aok’izany eny an-tanety Rehefa olo maro no miaraka mifa potaona Velona ny pika sary sy ny paozy samy afa Izany no manambara fa tsara ny voly azo Rehefa mahita ireo namana mandalo Ao anaty fiara amonjy morotsiraka Dia indro miaraka manofaofa Tanana Miara miredona hoe saoava dih eeee! Ny fitambarana no tena tsara indrindra Any mantsy ny misy misy manana trakefa Ka afahana maka lesona sy faombiazana Aleo mahavoly ray azo atoka tsara mantsy Toizay mahavoly maro nefa ho maina vety vety Aleo manoka fotoana lava hanaovana asa tsara Fa ny alasafay mitovy ny olona tsy manao Koa samy mifampitaona ande amboly hazo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-lehilahy
IZAY LEHILAHY
Fredy Jaofera
IZAY LEHILAHY Tsy afa-mivelatra izay tsy sahy manova taraina ; tsy manana elatra izay lehilahy tsy manan-tsaina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankalo/malemy
Malemy
Riankalo
Eny,malemy Mitoetra ho alokao fa tsy sahy mamoaka teny Na lala-mikodàna Tsy sahiko banjinina ny masonao mazàna Matetika tomany Mahita anao voarombaka amin'ny antso sesilany Fa dia tsy sahy mandroso D'aleoko aloha mijanona ho tia an-tsokosoko Asa hoe nahoana? F'ianao no anoloana dia mangovitra sy moana Mangenahena fatratra Efa te hamboraka fitia toa ankamantatra Fa eny,malemy F'hatramin'izao ny foko manjohy anao ombieny Tsy nahaloaka akory Ianao ilay isan-kalina tsy hahitako tory
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ianao-no-antenaiko
IANAO NO ANTENAIKO
AORN
Ray o! Mba lasalasa ihany Ity saiko adaladala Ka manontany tena: Nahoana ary aho no "ary" Kanefa fijaliana No entiko am-babena? Sa nisy tany aloha Zay sahy nanota fady Nanao fanahy iniana? Ka ozona no sarany Ho an’izay taranany ka miatra aty aoriana? Sa misy fisedrana Asetrinao ny tenako Hitsapa ny finoako ? Fa tena fafy katrana Ny jalim-pahoriana Izay miovaova loko? Sa koa ve valin’ota Zay vitako hatrizay no sazy izay hefaiko? Ka mila tsy ho tanty Ireo ratsy mifanesy Miantraika hatramin’ny aiko? Fa ny hevitrao ry Tompo Toa lavitra takarina Tsy hita hovisaiko Fa ny hany fiononako Raha Mbola velona aho Ianao no antenaiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-tononkalo
NY TONONKALO
AORN
Fehezan-kevitra mirafitra, mifono hafatra hampitaina Soratra mitohy miandalana, mampanintona mpamaky Miantsa vetsovetsom-po, ny hafaliana, ny taraina Na ny tsara tiana aseho, na ny tongo-bakivaky Ny Tononkalo tsara indrindra ? tsy misy aloha ny fanaperana Fa ny fo 'zay resy lahatra, no mamaritra izay tiana Ny ady rima sy ny gadona, mipetrapetraka amy toerana Ny vontoatiny ihany koa, mbola mety mahaliana Fa ny antsan-tononkalo, 'zay iangalian’ireo Poeta Mampirongatra ny anaty, mampientana fanahy Mampisaina, mampisento, mety hampiova koa ny toetra Fa mifono zava-dalina, na mamelona ny tsiahy Ny Poeta moa mazàna, dia mpampianatra ihany koa Be ireo hafatra apetrany, any anaty tononkalo Fa ny tanjony amy zany, dia hampita zava-tsoa Na hilaza zay mba hitany, fa tsy hanangam-pahavalo Ireo karazan-tononkalo, samy manana ny lantony Satria 'reo antsa izay voasoratra dia nivoaka avy ao am-po Ny mpamaky no mitsara, ka misitraka ny hakantony Fa ny asa niangaliana, samy mendrika avokoa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/velon-dreny
VELON-DRENY
Fredy Jaofera
VELON-DRENY Ireo velon-dreny dia tsy mahalala ny fitahiana azony rehefa mankeny, tsy lazaina adala raha be ny vazony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/fitia-madio
Fitia madio
honenantsoa
Fo madio tsisy tomika Lavorary ho anao irery Ny fitiavana anao miavosa! Zary tombo- kavatsa tsy ho voakosoka Hany mba fehin'ireo teny,fehim-bonikazoko Hafoiko ho anao ny aiko.... ka na Izao tontolo izao tsy harefy ilay fitiavako ao Toky tsy fitaka tsy mba fintana Tsy fandrebirebena na fandrekirekena tena hitia sy hanaja anao foana Izay ilay hambeti- teny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/david-mpikalo/ity-taniko
Ity Taniko
David Mpikalo
Ity Taniko Ontsa ny foko, raha mahita ity Taniko Anjakan'ny ratsy sy ny tsy fahamarinana Mafy tena mafy ka mila tsy ho tantiko Ny vahoaka ao aminy vao maika mia- sahirana Misy ny mikiaka mafy hoe: vonjeo re! Fa noana Mba mangataka izay mba tolo-tanana Saingy indrisy mantsy fa dia sasam-poana Satria ny ory  tsy mba havan'ny manana Ny mahantra tsy mba mahita rariny Ny manana nefa toa misondrotra ihany Vao  diso kely ianao dia mahita ny sariny Ka lasa ny saina hoe ho aiza ihany ity tany Izao ny zavamisy e!  dia tsy maintsy ekena Mino anefa fa mbola hivoatra ianao ry taniko Amin'izay fotoana izay mba hahazo valim-babena Ka hibitaka sy hifaly ny ato anatiko ato
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/trano-bongo
TRANO BONGO
Fredy Jaofera
TRANO BONGO Isaky ny mifoha dia izao no tena mamehy ny lalam-piainako eto an-tany : aleoko kokoa trano bongo misy hehy noho ny trano be misy tomany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/fanaperana
Fanaperana
honenantsoa
Toy ny tsela-baratra ka! Nanaitra tsy satry ny foko sondrian-tory ny hatsaranao, Voary kanto tena miavaka nandalo teo imasoko ianao Fanaperana indrindra rehefa iny ianao mitsiky, Mandrobaka fo mahababo ny fiangolam-peonao Milantolanto, Mandrakotra mandrobona anatin'ny loha Ny endrika sy bika ary momba anao rehetra. Ianao no tonony nanoratako kalo tsy hoe nofinofy; Fa tiako hitoetra tsy ho voafetra dia fitiavana mandrakizay ho anao raha sitrakao fa tena tiako loatra ianao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mihran/rehefa-tia
Rehefa tia
Mihran
Rehefa Tia Mazàna rehefa tia dia manjombonjombon'endrika Toa manirery izany,lasalasa saina,somary tsy be teny Tsy mahita tory fa mivadibadi-mandry Mitady azy an-tsaina mandrapaha maraina Manantena ny ahita azy, anefa toa mangaina Dia...manontany i zoky Angaha ianao marary e ? Tsy hita izay havaly fa, Manao anakam-po hoe:"Itony koa toy ny tsy mba  nandalo tamin'izany" Asa moa raha tsapany fa toy izany hatrany. Ny ahy indray kosa dia tsy mba toy izany Mitsikitsiky lava tsy hita fiafarany Mijery ny sarinao dia miramiran-tava Toy ny zazakely, mifalifaly havanja.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frereric-rnf/zandry-a-mila-miady-ela
Zandry a! mila miady ialahy
Frederic Rnf
Reko hoe mijaly hono ialahy dia mihidy an-trano lava Migogogogo mitomany, milaza fa hoe resin'ny fiainana Kivy ialahy fa ambanian'ny manodidina foana Ka tsy manan-tsaina ny hitraka fa mitady hamoy fo Velom-panontaniana hono ialahy ka mivetso hoe Mba aiza ihany ary izay mba anjara masoandro Aiza ihany izay mba azo itokiana eto ambonin-tany Fa ny manodidina toa mankahala ahy? Zandry a, kodiaran-tsarety lesy ny fiainana a! ''Tsy ny fahatsapan'ny olona hoe iza ialahy no zava-dehibe Fa ny fanomezan'ialahy lanja ny tenan'ialahy'' Dia aza mora kivy, aza mamoy fo lesy fa mitrakà hatrany Tadidio lesy fa ny fiainana tolona sy ady ka ialahy Tsy mila milavo lefona fa mila manambony moraly Apetrao ny maha-ialahy an'ialahy fa aza mora resy Tsy ny fanambanian'ny olona no atao hanimbana ny hoavy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/kozy-mafonja
Kozy mafonja
Rabarison Roberto Stephan
***********Kozy mafonja************ Olty ry bandy eh Elah anie izany koziko izany Elah anie mba natera-behivavy e! Fa aza mba avela izy hitomany Mba manàna ialahy fo mitempo Dia mba fafao ny ranomasony Fa ny alahelo ao am-pony toa manentoeto Mba henoy anie izany antsoantsony e! Ialahy miseo be saina, tsy mba mamindra fo Jereo izy efa mitaraina, mijaly ihany koa Tiavo lesy izy ah,izay no lazaiko anao Ilay fikasian-tanana isan'andro, mbola ho neninao Ny sipa anie lesy rehefa tia dia tena tia Mikajy fatratra isan'andro , mba hasoa ny dia Nefa elah toa midingin-drambo , sy manao teny maharary Mampaory ity fony , ary mety ampiditra azy hopitaly Fa izao aloha izy mandefitra fa tena tia Ka ao arina kely ao tezitra, ka isara-dia Dian'ny mbola tsy tonga ilay tanjony iray Dia tiavo lesy izy ah, sao hanenin'ialahy mandrakizay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edenasafira/mba-ampaherezo
Mba ampaherezo
Kintan'ny Natiora
Ry tampon-kavoana tsy ilaozan’akanga Ry bozaka lava fierem-borokely Ry ala fonenan’ireo voromanga Mba ampaherezo ny fo izay voavely Ry rano madio izay misosa any an’ony Ry rivo-malefa-pitsoka any ho any Ry vola-mazava mitoetra eny ambony Mba ampaherezo ny fo mitomany Ry masoandro mody madiva hisoka Ry rahona maloka mamelovelo Ry kotro-midona fa tsy hita popoka Mba ampaherezo ny fo malahelo Ry avana izay maroloko sy kanto Ry lala-mahitsy falehan’ny maro Ry onja mitopa sy milantolanto Mba ampaherezo ny fon’ny mimalo Ry kinta-mamiratra tsy tambo hisaina Ry zavona fotsy manoatra ny voaly Ry felana manitra eny anjaridaina Mba ampaherezo ny fon’ ny mijaly Ry ora-mikija hamonto ny tany Ry ando tsy saraky ny andro maraina R'ilay Saha Edena fonenana mamy Mba ampaherezo ny fo mitaraina Ry feon’anjely miredona hoby Ry tany volena mahefa ny adidy Ry vorona manao andiany hody Mba ampaherezo ny fo mila ho kivy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mampanahy
MANAHY
Fredy Jaofera
MANAHY Tsy mandany fotoana amin'ny olo-nandratra itony fo amam-panahy fa dia tena nahamoana tsy nampoiko hihatra ny nisy ka eto manahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iraay/tiako-ho-tantsaha
Tiako ho tantsaha
iraay
Tiako ianao kanefa Tsy mahay manetsa Tsy mahay mikolo Ny tontolo ambanivolo Tiako ho malala Nefa ndrao tsy ho tamana Hanao ny raharaha Fanao-nay eny antsaha Tiako saingy mihaingitra Ka hilaza fa hoe maivoka Sy hanangan-tezitra Raha atao mitaona zezika Tiako ianao ho namana Fa ny mitsongo anana Ndrao tsy hainao Ka aoka ihany izao Tiako ho andefimandry Fa ndrao mataho-mandry, eo ambony tsihy Ka hanahirana ahy atý Tiako ho andry hiankinana Nefa sao ianao tsy mihinana Saosety sy ny ovy Ka hitomany hody Tiako atao hoe tiana Ndrao tsy zatra fihafiana Ka aleo aloha mangina Sao hanimba ny any aoriana Fa.... Mety vazivazy izany Mety ho marina ihany Fa raha toa ianao 'lay mamiko Dia hatoro sy hampianariko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/farasento
FARASENTO
Fidy Art Niaina
Raha sendra nikopaka nivoivoy Izany elatrao re ry vorona irony Te hiriaria tsy misy roiroy, Angamba tsy te hiverina intsony? Tsy maninona... Soava! Tsara tso-drano ka etsy 'ndehana! Ny jaly toy izao efa fiainako lava Ny tomany dia rano fisotro mazàna Ndehana e! Ndehana... Jereo sy isidino habaka vao! Na tena tia aza tsy afaka hitana. Ndehana raha eny no hahasambatra anao! Izaho kosa avelao! Avelao hitanisa ny nisy rehetra. Hahatsiahy ny fiadanana tanilanao; Saingy hasambarana iray nisy fetra. Satria isika alahatra ihany! Ka etsy 'ndehana! Tsy hotanako akory! Hofaoko mora ny maso tomany. Dia hakipiko hisantatra ity fara-tory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/mitia-mangina
mitia mangina
fanasina7
Fantatro ianao, fa efa manan-tompo Na izaho koa aza, efa manana ny ahy Saingy indrisy re, tsy voafehiko ny foko Mitia mangina anao tsy amin'ahiahy. Vao mamoaka sary ianao, ato anaty fesiboky Dia midoboka ny foko, mitsiriritra mafy Manara-po ny masoko, toa tsy mety ho voky Mitelin-drora, mankafy ... tsy mihafihafy. Kely ny finoako hoe : ho to ny nofinofiko Ka dia mitia mangina sisa, no hany azo atao Ireo sarin'ny hatsaranao ... no iondanako, tolomiko Zary sampy ato am-poko, hatramin'ny nahitako anao. Mety adala ve ny foko, raha mitia mangina anao ? Eny e, ny hadalan'ny foko, no mahasambatra ahy hatrizao ! (mpanoratsora-poana)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tianjara-rakotoanosy/rajako-gasy-sy-rajakom-bazaha
Rajako gasy sy rajakom-bazaha
Tianjara RAKOTOANOSY
Ny an’ny tena miavaka raha samy tany Tsy ananam-piry sy tsy ananan’ny maro Mitsiriritra ny any ivelany mba hiaro Ireo,efa nisy fahagolantany very fahatany Hikaroka sy hanovo-hanoro ary hitsidika Nandany vola maro raha nande nisidina Zovy amin’izany moa ny mahazo tombony Avy lavitra any izy fa tsy mba mila tambiny Eny e! Ny an’ny tena moa dia ihomehezana Ny hafa; te hianao hiara-hirako-damba Ny an’ny hafa botrabotra iray fehezana Ny tena ‘ty mihasola volo misy sanga Tsy mba fody an’ala intsony tatoato Sady toa miverimberina any sy makato Tsy mba vony intsony fa mjinja an’ony Kely mantsy raha ny azony fahiny Avela koa hanararoatra mandra-maty Tsy mba misy intsony tonga saina Kelikely dia ho tonga atsy hoatsy Ny ady raha ny tena ity kely aina. 20:32
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-afaka-nanoatra
TSY AFAKA NANOATRA
AORN
Dia vaka teo ny sainy Niandry lay malalany Nilaza fa nandeha Namita irak’asa Any an-Tanambe Zay faritry Mangoro... Omaly tolak’andro No tonga tao aminy Nilaza vaovao Lay tovovavy namany… Fa efa an’olon-kafa Lay olona malalany Vao tsy ela manko izay Nilokaloka fatratra Sy tena resy lahatra Lay tiany zay tsy foiny Fa amy taona ho avy No hakariny ho vady Dia kivy indray ny fony Tsy te hiaina intsony Ka ny any tao an-tsainy Ny hanala izato ainy Ho afa-pahoriana tsy hisaina olon-tiana Resy tena resy Tsy afaka niarina Na niezaka aok'zany Nitraka teny ihany Saingy mafy loatra ka tsy afaka nanoatra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rongo/poeta
Poeta
Rongo
Poeta, Misy fiaina-mbola tsy hary miafina amin'ny rehetra rehetra f'efa vita sarisary ao an-diarin'ny poeta! Misy fiaina-mbola nofy tsy natsaikan'ny fisiana fa poeta no efa nioty teny an'habany mangina! Misy miafina ao anaty, ao anatinao mitoetra saingy tazanao miranty eny an-tsoratra poeta! Nisy koa ny fo narary very ny andry fiankinany fa poeta no nandrary ny elatra mba hisidinany! Tsy anjely ny poeta fa mpikatsaka hatsarana sy mpamelona hetaheta ao anaty figagana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/adim-piainana
ADIM-PIAINANA
NY Andri-Fara
Adim-piainana Ny fiainana mazàna Herisetram-pahavalo . Mety ahatoro nofo , Mora sasatra sy ana . Adim-piainana ! sori-tsaina Hakiviana mampivarilavo ; Ka nandaozako ny taniko , Hiadiako ny adim-piainana . Adim-piainana ! Ho resy sa handresy . Fahavalo vonona hamono ! 'ndreo manatona misesy . Avelao ho avy Avelao ho tonga . Fa ho tsenaiko hirahira ..., Toloko iray mafonja . Ho tsapan'izy hatrany Fa tsy kilalao ny adim-piainana. Hiarahana miady... Tolona hatramin'ny farany ;
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahita
NAHITA
Fredy Jaofera
NAHITA Mafy aloha ny ady vao indro nahavita ny lahasa ange : ny saina no nitady fa ny fo no nahita ny lalan-kaleha. Fredy JAOXERA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tianjara-rakotoanosy/tontolo-inona
Tontolo inona?
Tianjara RAKOTOANOSY
Fanatontoloina mande tailany Ny zatovo ankilany miala ilany De mba ho aiza re ny alehany Rahatrizay tsy aharaka filàny. Fa Toa varina rendrarendra sy lamaody Tsy ela velona ve : mahery tsy maody? Anatrehan’ity fahantrana toy ny ozona Tandremo fa ny tampoka tsy ampoizina. Fivoharana anambaka tontolo iainana Ivadihanio tsy misy intsony ny itarainana Dia eo vao ho fanjakan’ny baroa Satria samy hanavotena bambaray. Ianareo no hoavin’i Gasikara Iza re no itantana sy ikarakara Menasofina sy ireo sinoa, sa karàna? Zay mitombo sady toa tamana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiambaratelo-17741
TSIAMBARATELO
Fredy Jaofera
TSIAMBARATELO Isan'andro aho dia malahelo, marary ny miaina ; moa ve fantatrao fa tsiambaratelo izany ka zaraina ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/rafahantrana
RAFAHANTRANA
IALY NOFY
RAFAHANTRANA Tsy lehibe tsy zazakely Miandahy sy miambavy . Mitoetra an-tsena foana..., Vokatry ny fahantrana . Miraoka fakofako Mitady ny sakafo . Mangataka etsy sy eroa ; Sitrany ahay mahazo vola . Zazabodo toa adala No mirenireny mahonena . Tsy mba manana akany , Fa tafo lanitra ihany . Ny fitafiana rovidrovitra Maimbo lao lalandava . Bibikely fotsifotsy ...Maintimainty ! No zahana andaniany ny fotoanany . Ny vatana amin'izany Ny tarehy aoka ihany . Izany ve no fahantrana ! Toa maharikoriko , loza hisy fetra ? Andray 'ty fahasahiako Loza izany habibiako . Mahery izany fitenenako ; Lozanao ...Lozanao ry vavako . Olombelona toa ahy Mifanerasera amiko . Saingy rafahantrana...; No manjaka...Mahazo laka ?! Mora resy nefa..., Mety handresy ihany koa . Ny fahantrana izay mitombo ...; Miankina amiko sy ianao . Aza hiandrasana olona Na vahiny izay mitsidika . Andao hiara hientana..., Handavo fahantrana .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-halavirana
MILA HALAVIRANA
Fredy Jaofera
MILA HALAVIRANA Matoa mirana dia mba takaro, fantatrao ve ?... Mila halavirana ny ratra maro vao sitrana e !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiambaratelo
TSIAMBARATELO
Fredy Jaofera
TSIAMBARATELO Isan'andro aho dia malahelo, marary ny miaina ; moa ve fantatrao fa tsiambaratelo izany ka zaraina ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tanaty-feo-mozika
TANATY FEO MOZIKA
AORN
Toa rindram-peo milanto Zay kanto tena kanto No Henoko avy hatrany Avy any lavitra any Mangoly ny any anaty Mandrorona tsy tanty fa hira iray manjeny tsy haiko lohateny Kanefa dia naveriko Nohenoina ombieny ombieny Ny hafatra napetrany? Toa mitantara mihitsy Ny fiainantsika roa Tanaty taona vitsy… Fa Mbola tena mamiko Ny angolam-peonao Niangaly zay nambarany Dia nokaloiko koa Nasiako feo faharoa Ka ampoka avy hatrany Lay hasambara-mamy Zay nositrahantsika Tanaty feo mozika
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahf/izay-hovadiana
Izay hovadiana
AHF
Tsy ny olona rehetra akory no faka vady Fa mialà nenina, miezaha mitady Jereo ny bika diniho koa ny tarehy Saingy ny toetra no ifantohy be dia be Ry Soazara izao dia sady tavy no volony Jereo anie fa kanto hatramin'ny molony Saingy izy dia loza fa mahay mampirafy Ka mbola hiditra ve dia rehefa ao miafy? Ry Valisoa dia tena manam-pahaizana Fa mpanara-damaody tena ikoizana Koa miomàna amin'ny fitadiavam-bola Fa ny miaraka aminy tsy vitan'ny angola Ry Sariaka kosa dia tena tsy misy mahasolo Tia manovanova sy mandoko volo Androany ny lohany toa miloko mena Rahampitso efa hafa no hita eny an-tsena Dia samy manana ny maha izy azy avokoa Na Soazara na Sariaka na koa Valisoa Fa raha haka vady miandrasa kely indray Ny toetra no fototra tena mamatotra ho iray Fa io na dia tsara sy bikana indrindra Raha ratsy toetra dia ambara ho mandringa Satria ny fanahy no mamaritra ny olona Ka raha tsy lavorary io dia hisy ady sy tolona Fantaro noho izany ny loharano nipoirana Ezaho fantarina fa aza atao ho manahirana Fadio koa ny mihaino ny fihetseham-po Fa ampiasao ilay saina ao anaty atidoha
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tiany-ianao
Tiany ianao
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Misy any tia anao, fo tsy fantatrao akory; Mangetaheta sy maniry ny hiara-dalana aminao, 'Zay vao sambany hatrizay, ilay fitiavany natory no indro taitra ka niatsampy, sy miantoraka aminao! Indro ilay fitiavanao no iriany ho amboara, Hetahetany isan'andro ataony anaty tonom-bavaka; Ka ny fiainanao tontolo no nofisiny ho anjara sady ataony rehareha, sy faniriana iray miavaka. Nefa indrisy fa misento, sy manjombona ny tavany mahatsinjo anao mitsiky, eny antratran'olon-kafa; Mipitrapitra koa ny fony, toa mamefy ilay fitiavany : Izay tsy maintsy ho afindra lasy, any antanin'olon-kafa. Satria ianao ilay faniriany tsy nanopy maso akory ilay fony te hiantsampy, te hiantoraka aminao, Dia aleony mampangiana ilay fony lasa ory; Hamindra lasy ilay fitiavany, hianatra hanadino anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/jesoa
JESOA
Fredy Jaofera
JESOA Jesoa dia fiainana tokony hitarainana raha misy fijaliana tsy fanta-piaviana. Jesoa dia antoka raha te hifantoka amin'ny hazavany tsy misy fiafarany. Jesoa dia lalana tsy tia mahalana raha lamin-tsaina no zavatra ilaina. Jesoa dia Mpanjaka miha-mshazo laka feno fahamarinana misy fanambinana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lalana-mahitsy
LALANA MAHITSY
Fredy Jaofera
LALANA MAHITSY Ny mandeha irery dia tsy olana mihitsy rehefa atao ; tsy nisy olona very tamin'ny lalana mahitsy hatramin'izao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/itokianagasy/resy-tsy-miady
Resy tsy miady ?
ItokianaGasy
Ekeko tokoa fa tsy misy izany Olona iray izay resy tsy miady Fa ity fiainana ity dia ady sy tolona Ary io ny mampiavaka ny mahaolona! Fa raha ny olombelona, tokoa hono mantsy Mikatsaka izay tsara hatrany, Tsy maintsy mitady izay kely ho vatsy Raha te hiadam-piainana, any aorina any! Adalàna ho an'ireo, kivy am-panombohana Milavo lefona avy hatrany, vao sedra olana. Fa raha ny fiainana hono, toy ny kodiaran-tsarety Androany ianao ambany, rahampitso lasa metimety!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mendri-paharetana
MENDRI-PAHARETANA
Fredy Jaofera
MENDRI-PAHARETANA Aza mitsetra, ny resa-pitantanana tsy dia fahafinaretana ; izay rehetra mendrika hananana dia mendri-paharetana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitrinytohiny
MADAGASIKARA . NY LASA SY NY ANKEHITRINY....Tohiny
NY Andri-Fara
MADAGASIKARA . NY LASA SY NY ANKEHITRINY....Tohiny 1.3.2.1 . Ny Maha izy azy : Mizara dimy ireo taranaka mpanazary na taranaka vazimba : • Ny Antsilahy • Ny Mpanandro • Ny Mpitana hazomanga • Ny Mpandraharaham-panjakana • Ny Mpisikidy. ( Marihina fa anarana fitsinjarana andraikitra ireo ary mbola lovan-taranany hatram’izao, raha mahatandrina tsara ny fetram-pady nosoratan'ireo razany avy izy ireo . ) Ny tsara ho marihina dia izao : Ny nahavery hasina ity tanintsika ity dia io fandikana fady io, ka niafara tamy ny fanjakazakan'ny vazaha na ireo vahiny nanitsakitsaka ny hasin'ny tanintsika.Tokony hitoetra amin’ ny samy masina an-taniny ny olona tsirairay avy araka izany . Ary noho ny fanajana ny fady angamba sy ny hafatr'Andriambavibe no mahatonga an'Andrebabe mbola mifono misitery lalina hatramin’ izao. Fa ny tena nahazendana tamin’ireo boky nokarohako (22) dia samy mampiseho izy ireo fa ny vahiny na ny vazaha tonga teto dia nanova ny tantaran’ity Firenena misy antsika ity . Andeha haka porofo amin’ity boky iray ity monja isika (22) fa : « Hisy olona hafa firenena handidy ny tanindrazanareo dia ity nosindambo ity izany,ka hovany ny anaran'ny taninareo ary antsoiny hoe Madagasikara, ary ny vahoakany ataony hoe Malagasy » Fanamarihana: raha tombanana ny taona nilazan'ireo hazary tao Antsihanaka ireo faminaniana ireo dia teo ho eo amin’ny taona 1450 - 1550 teo ; dia isika no mamakafaka sy mandinika. 1.3.2.2 . Ny Fomba amam-panao : Finoana : Andriamanitra - Zanahary - Razana - Vintana - Anjara - Lahatra - Tendry - Tsiny - Tody : ireo ninoana fa manana hery mihoatra ny herin'olombelona ka natao hakana hery hanamafisana orina ny lalàn'ny fiaraha - monina ary entina manazava ny zavatra sasany tsy voazava ara-tsiansa. *Ireo niandohana :  Andriamanitra - Zanahary : Ilay Masina indrindra ary Mpamorona ny tongotra aman - tànana sy izao rehetra izao.  Razana : Nanondroana ny Raibe sy ny Renibe loharano nipoirana efa maty. Ireo efa maty rehetra ka milevina am-pasan-drazana . *Ireo hery napetrak'Andriamanitra handrindra sy hifehy ny fiainan'ny olona :  Ny Vintana : kisendrasendra, hery misy fifandraisana amin'ny kintana. Fizotry ny fiainana araka ny tonon'andro nahaterahana .  Ny Anjara : Ampahany soa na ratsy voatokana ho an'ny tsirairay avy amin'izay iombonana amin'ny hafa. Avy amin'Andriamanitra na olombelona.  Ny Lahatra : Lamina avy amin'andriamanitra eo amin'ny fizotry ny fiainan'ny olona. Izay efa voasoratra eo amin'ny fiainana.  Ny Tendry : Endrika manokana andraisan'ny tsirairay avy izay tandrify azy amin'ny lahatra misy azy. *Ireo lalana mitondra ny fiainana :  Ny Tsiny : Lesoka, kilema, tsy fahafenoana, tsy fahatanterahana, tsy araka ny tokony ho izy. Sazy na fanamelohana azo noho ny fahadisoana vita na noho ny adidy tokony hatao nefa tsy notanterahina.  Ny Tody: Fiverenan'ny zavatra natao amin'ny tena na tsara na ratsy. Valin'ny natao mifototra amin'ny tena. Ny Vintan-andro na ny fomba fanandroana teo amin’ny Malagasy (23) . Andeha hojerentsika ireo volana nampiasain’ny razantsika ireo : (24) Ny alimanaka sy ny fomba fanandroana malagasy dia miankina amin’ny fanisana ny endriny sy ny fiovaovan’ny volana eny amin’ny habakabaka ( Calendrier lunaire ). Ao anatin’ny volana iray dia misy andro 28. Ao anatin’ny taona iray dia misy volana 12 izay mifandraika tsirairay avy amin’ireo tonon-bintana ny alimanaka vahiny na tandrefana. Ireto avy izany : Alahamady na Belier Adaoro na Taureau Adizaoza na Gemeaux Asorotany na Ecrevisse Alahasaty na Lion Asombola na Epi Adimizana na Balance Alakarabo na Scorpion Alakaosy na Les 6 etoiles Adijady Na Chevreau Adalo na Verseau Alohotsy na Poissons Samy mitondra vitan’andro izay mampiavaka azy tsirairay avy ireo volana ireo. Eo amin’ny fomba fanandroana malagasy dia misy renin-bintana ( destin mere ) 4 ; izay mandidy ny vintana rehetra ka miaraka hita ao anatin’ny volana iray. Tsy iza izany fa : Alahamady Asorotany Adimizana Adijady Ao anatin’ny volana iray dia maka Andro 3 tsirairay avy ireo renin-bintana ireo. Raha totalina izany dia maka 12 Andro izy 4. Ireo telo andro ireo dia misongadina toy izao ary mitondra anarany samihafa : . Voalohany: Vavany na Bouche . Faharoa: Vontony na Fahafenony ( Plenitude ) . Fahatelo: Vodiny na Declin Ho fanampin’ireo renin-bintana 4 voalaza ireo dia ahitana zana-bintana 8 koa izany fomba fanandroana izany. Tsy izay izany fa ireto avy: Adaoro Adizaoza Alahasaty Asombola Alakarabo Alakaosy Adalo Alohotsy Ao anatin’ny volana iray ; dia maka andro 2 tsirairay izy ireo ka mahafeno 16 andro. Ny fitambaran’ireo rehetra ireo no manome 28 andro izay isan’ny volana iray ao anatin’ny alimanaka. Ireo andro roa , amin’ireo zana-bintana ireo ; dia mitondra ireto anarana ireto koa: Voalohany : Vavany na Bouche Farany : Vodiny na Declin Marihina aloha fa misy ny vintana mifanipaka mialoha ao anatin’izany Alimanaka izany. Alahamady , mifanohitra amin’ny Adimizana Asorotany mifanohitra amin’ny Adijady Raha ohatra hitady ny vintan - andro na zaza iray zao ohatra teraka faha 15 andro alahasaty dia sahala amin’ito manaraka ito ny fomba fanisana izany: Alahasaty misy 2 andro Asombola misy 2 andro Adimizana misy 3 andro Alakarabo misy 2 andro Alahasaty misy 2 andro Ary farany Adijady 3 andro Mahafeno 14 andro ireo rehetra ireo. Rehefa hampiana ny andro amin’ny vavan’ny adalo ; dia afaka ahitana ny tonon-andro na ilay vitan-andro ilay zaza. Marobe ilay fanazavana amin’ny lafiny ara teknika , ka sarotra amiko ny manazava azy amin’ny antsipiriany aminareo eto. Adizaoza 2 Andro Asorotany 3 Andro Alahasaty 2 Andro Asombola 2 Andro Adimizana 3 Andro Alakarabo 2 Andro Mahafeno 14 andro hatreo Alakarabo no mifanohitra amin’ny vitan’androko. Mila mandeha any amin’ ny vavan’ny alakaosy izany aho vao mahita ny tena vitan’androko. Fa dia faranako eo fa marobe ilay resaka teknika ka sarotra amiko ny manazava azy aminareo eto. Famintinana : Ny fanandroana dia fandalinana sy fampiharana ara-pinoana ny fifandraisan'ny zava-mitranga eto an-tany , amin'ny toerana misy ireo zava-mitsingevana eny amin'ny lanitra toy ny Masoandro sy ny Volana ary ny kintana sy zavatra hafa koa. Ny mpanandro dia milaza fa ny toerana misy ireo zavatra ireo amin'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray sy ny fifindran-toeran'ireo zavatra ireo dia ahafaha-mamantatra ny toetr'io olona io sady ahafaha-mamantatra mialoha ny hoaviny. Akoatry ny Volana sy ny Masoandro dia ampiasain'ny mpanandro koa ny kintana sy ny planeta. Ireto avy ny anaran'ireo planeta fampiasa amin'ny fanandroana tranainy indrindra satria mora hitan'ny maso : Venosy ; Merikora ; Marsa ; Jopitera ; ary Satorina . Nanampy azy ireo ny planeta hafa hitan'ny mpahay kintana taty aoriana toa an'i Oranosy , izay hita tamin'ny taona 1781 sy Nepitona ny taona 1846 ; ary i Ploto ny taona 1930 . Ampiasaina koa ny endriky ny fifandraisan'ny Masoandro amin'ny Volana sy ny planeta sy ny kintana, izany hoe ny zoro foronin'izy ireo izay mifanindry : 0°, mifanohitra : 180°, mahitsizoro : 90°, sns ; torak'izany koa ny fifandraisan'ny Volana amin'ny zavatra hafa : kintana ; planeta na ny samy planeta na ny samy kintana. *Eo amin’ny kintana sy ny antokon-kintana : Ny antokon-kintana izay andalovan'ny Masoandro miisa telo ambin'ny folo raha ny tena marina, ny anaran'izy ireo, dia ampiasaina indrindra amin'ny fanandroana. Ireto ny anaran'ireo antokon-kintana ireo amin'ny teny latina ao amin'ny fanandroana tandrefana : Aries (ondrilahy) ; Taurus (ombilahy) ; Gemini (kambana) ; Cancer (foza) ; Leo (liona) ;Virgo (virijina) ; Libra (mizana) ; Scorpius (maingoka) ; Ophiuchus na Serpentarius (mpitondra bibilava) ; Sagittarius (mpitondra tsipika) ; Capricornus (osy-trondro) ; Aquarius (mpitondra rano) ary Pisces (trondro). *Ny zavatra hafa : Ny fanandroana dia mifandray amin-javatra hafa mety ho tsapan'ny olona toy ny loko, ny karazan-java-manan’ aina, ny sokajin'olona, ny toerana eo an-tanàna na ao an-trano na ivelan'ny tanàna mifanandrify amin'ny vazan-tany mbamin'ny elanelany : avaratra; atsimo; atsinanana; andrefana ary ny andro tsirairay ao amin'ny herinandro : Alatsinainy; Talata; Alarobia;Alakamisy ; Zoma ; Sabotsy ; Alahady . Ny fizarazaràna ny andro sy ny alina, ny akora isan-karazany : Ny rano; rivotra; afo; vy; tany sy ny maro hafa . Ny mpanandro isam-paritra na isam-pirenena eto amin'izao tontolo izao dia tsy voatery hampiasa ireo zavatra rehetra ireo fa mety ny ampahany aminy fotsiny. Mety hifandray amin'ny fomba fanaovana sikidy ihany koa ny fanandroana . Misy anefa no mivelona amin’ny fisolokiana fa tsy mahay akory . Tsara ny hanambarana etoana fa ny mpino Kristiana dia tsy miorona amin’ny fomba fanandroana na io fanaovana sy fanatonana ireo mpanandro rehefa hanao zavatra sy manoko sikidy . (25) 1.4 . Ny Fototra maha olona : Ireo Soatoavina Malagasy : A - Ny Fahalalana 1- Famaritana 1- 1 Ara-piforonan-teny : Avy amin’ny fototeny hoe : « lala », midika hoe fantatra, ahazoana ny matoanteny hoe mahalala ny fahalalana; ny heviny dia mahay, ilazana ny hoe nianatra ka mahafantatra na mahafehy zavatra iray. Azo lazaina, araka izany, fa azo raisina ho toy ny « fahafantarana » na « fahaizana » ny fahalalana. 1- 2 Ara-kevi-teny : Fahaizana ilaina amin’ny fampivoaran’ny olombelona ny fianany eo amin’ny famolahany ny tontolo manodidina azy ny fahalalana . Hoy Atoa Charles Ranaivo : « Ny fahaizana amam-pahalalana dia fananana angonina ao an-tsaina.» Mbola hamafisin’Ingahy Ravelojaona, Mpitandrina ; ihany koa fa : « Ny fahalalana dia toetra ambonin’ny lanjam-bintana sy harena. » 1- 4 Ny hoe : olona manam-pahalalana : Tamin’ny andro fahiny, olona mifanohana sy mifanampy ara-kevitra amin’ny mpiara-belona aminy no atao hoe manam-pahalalana . Manam-pahalalana ihany koa ny olona iray, raha mahay mandinika ny toetra anaty mifamatotra, mifehy ny zavaboaary ary manana ny fomba fiasa maneho ny maha Malagasy azy, nefa tsy misakana ny fisokafan’ny fomba fijery amin’ny any ivelany ihany koa. Olona tia fandrosoana ; ary tsy miantehatra amin’ny zavatra tsy hita maso ihany koa ny manam - pahalalana ; fa miezaka hatrany hanazava ny fisian-javatra samihafa. Tsy azo tombanana amin’ny filazam-pahalalana na ny fitsarana ivelany ny tena fahalalana sy fahaizana fa herin’izany fahalalana izany ny fahatsiarovan-tena : hanondrotra ny fiainany, hanova ny toe-tsainy , hanova ny fijeriny, hanatsara sy hahamasina ny fitondran-tenany. 2 - Ny vokatry ny fahalalana : 2.1 Eo amin’ny lafin-tsarany : Mampandroso ny firenena iray ny fahalalana . Manafaingana ny fandrosoan’ny haitao sy hairaha ny fananam-pahalalana Mampiakatra ny toerana misy ny olona eo amin’ny fiaraha-monina ny fahalalana satria mitana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina ny manam-pahaizana . Mahatonga ny olona hanana ny fahaleovan-tenany ; fa tsy voatery hiankina amin’ny hafa ny fahalalany . Manafaingana ny fandrosoan’ny hafa sy mitondra fahazavana ho an’ny isam-batan’olona ny fananam-pahalalana . Mampiorina ny fifankatiavana sy ny fifanajana . 2.2 Eo amin’ny lafi - ratsiny : Tsy manam-pinoana matetika ny manam-pahaizana ; fa miantehitra amin’ny hita maso, ohatra, tsy finoana ny nentin-drazana toy ny famadihana sy ny fitahian’ny razana, finoana ny tsiny ny tody ny lahatra . o Miteraka fitiavam-bola sy fitiavam-boninahitra diso tafahoatra . o Mahatonga fanadinoana ny namana sy fanavahan-tena . o Mahatonga hafetsifetsena sy fanambakana ho an’ny namana . o Mavesa-danja be loatra eo amin’ny fiainana koa ny fahalalana satria manao tsinontsinona ny lanjam-bintana sy ny harena . o Manova toen-tsaina . o Manadino an’Andriamanitra Ray mpahary . o Mamotika ny mpiara-monina . o Manimba ny kolo-hay sy ny hai - tao . 3 - Ohabolana : « Fahalalana fetra, fahalalana onona » « Tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy » « Ny fianarana no voalohany-karena » « Manan-karena olomanga ny firenena fa mahantra olo-marina » « Aleo manontanintany foana hihomehezana toy izay manaotao foana hotezerana » « Ny akanga aza mahalala tsaratsarao ka mainka fa izaho olombelona » « Teny atsipin’ny manam-panahy raisin’ny mpahalala » « Izay tsy mahay sobiky mahay fatram-bary » « Manan-tsira ka mahay mahandro » « Raha mahay dia fianarana fa raha tsy mahay feno arina » « Samy zanaky ny mpanefy ka tsy mifampidera taim-by » 4 - Oha-pitenenana : Hoy , Charles Ranaivo : « Maro be ny mihevitra fa rehefa mahay dia tsy maintsy ho Hendry » sy hoe : « Mety be ho fahaizana sy ambony fahalalana ny olona nefa kosa tsy ampy fahendrena » - Emilson Daniel Andriamalala , indray : « Olona efa voasedra tamin’ny fitiavan-tanindrazana no azo antoka hanarina ny firenena fa tsy avara-pianarana vonona hatrany am-piandohana hamadika ho vola ny fahalalana amam - pahaizana » B - Ny Fahendrena 1- Famaritana 1.1 Ara-piforonan - teny : Avy amin’ny fototeny hoe : « hendry » ny hoe fahendrena, izany hoe, mahalala ny ataony ary mahay mandanjalanja sy mahita hevitra mahasoa ary mailo amin’ny ataony rehetra. 1.2 Ara - kevi - teny : Endriky ny fitondran-tena takian’ny fiaraha-monina ny fahendrena. Ho an’ny :  Ankizy ny : manoa ray aman-dreny ny tsy mandainga ny tsy mangalatra, ny tsy miady aman’ny namana  tanora : madio fitondran-tena, tsy manandrakandram-poana, mahay mifehy tena amin’ny rendrarendra, mahay manaja olona , mianatra tsara sy manome toky fa ho hendry  olon-dehibe : mahalala sy mahay mandanjalanja ny atao, mahay mitady sy mitandrina ny marina, manam-panahy, mitondra sy miantoka ny ankohonany, manaja ny asany indrindra fa miantoka ny fivelomana izany . Manaja ny tokatranony sy miahy ny zanany , manaja ny mpiara-miasa . Ahoana hoy , Rainandriamampandry : « Ny fahendrena dia vokatry ny Fanahy » sy Charles Ranaivo : « Ny fahendrena dia toetra soa entina miaina amin’ny fampiasana ireo fianarana sy harena na kely na lehibe. » 1.4 Ny olon - kendry amin’ny ankapobeny dia : - Mendrika ny toetra na amin’izay atao noho ny fahaizany sy ny hatsaram-panahy ananany ny olon-kendry. - Mahalala onona , manan-kevitra sy mihevitra mandrakariva izay mahasoa, mandala ny hasin’ny olona sy tia fihavanana. - Saro-piaro amin’ny fiarovana ny marina sy ny rariny ny olon-kendry. *Fa araka ny mpandinika kosa : . Antoine de Padoue Rahajarizafy : « Olona mahay miasa, maontim-pihetsika,mandinika. lalina, marani-tsaina, mandefitra, tsy voarebirebin’ny vola aman-karena, mahay maminany ny lavitra, izany hoe mitsinjo ny ho avy ny atao hoe olon-kendry. » . *Fa teo amin’ny ny fijerin’ny Ntaolo kosa : Olona mandala ny fihavanana sy ny fifankatiavana, izany hoe, mahay sy mahatandrina ny fitsipika rehetra misy azy eo amin’ny fiarahamonina . 2- Ny endrika isehoany :  Fahalalana sy fahatokisana ary fankatoavana an’Andriamanitra  Tsy famelana ny fanahy ho safotry ny rendrarendra ara-nofo sy ny vola  Famehezana ny fitiavana-karena amin’ny fifankatiavana sy fahamarinana  Fitiavana ny namana  Toetra maharitra sy mateza  Mety hivoatra ao anatin’ny olona  Toetra tsy misy mahasolo azy, eny fa na dia ny vola aman-karena aza  Mampiaiky ny olona ny fanana azy  Fandalan’ny olona ny marina, ny rariny ary ny hitsiny  Hita eny amin’ny ohabolana sy ny oha-pitenenana rehetra eny 3 - Ny vokany : 3.1 Tsara :  Manam-panahy ka to-teny eo amin’ny fiarahamonina ny olona mandala ny fahendrena na ny olon-kendry.  Mahay miaina ka mamy hoditra eo amin’ny mpiara-belona aminy .  Matetika mahazo valisoa avy amin’Andriamanitra na ny manodididna azy ireo . Ohatra Imboasalama nahazo ny fanjakan-dRaibeny Andriambelomasina, noho ny fahatsarany ka lasa nantsoina hoe: Andrianampoinimerina.  Fitaratra ho an’ny manodidina ny olon-kendry .  Reharehan’ny firenena ny fananana olon-kendry . 3.2 Ratsy :  Misy ny hoe diso hendry loatra ka hararaotin’ny olona amin’ny fandeferany  Mampisy fetrany ny tokony hatao : ohatra miaritra ny tsy tokony hiaretana  Sokajian’ny olona ho tsy dia nahita fianarana loatra ny olona manam-panahy, araka an’i Fety Michel; Mpitandrina . 4 Ohabolana sy oha-pitenenana : « Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany. « Ny Hendry ihany no anarina fa raha ny adala no anarina dia ny lambany no ariany. » « Ny fanahy no maha olona. » « Tsy varotra no taloha fa fihavanana. » « Ny hery tsy mahaleo ny Fanahy. » « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha. » « Manan-karena olomanga ny firenena fa mahantra olo-marina. » « Izay miteny volafotsy fa izay mangina volamena. » « Ny anatra vahiny: tiana mody mandry; tsy tiana mitampody. » « Manasa ny bekibo ka ny vary no lany; mananatra ny adala ka ny vava no vizana. » « Monina ambany saokan’ny Hendry. » « Raha ny kapoka no mahahendry dia ny omby no hendry aloha. » 5 - Tenin’ny mpandinika : • Rainandriamampandry : « Ny tsy fialonana sy ny fahendren’Andriamanitra, ny hafa no manamarika ny fahendren’ny mpanjaka. Manaraka izany, ny fitovian’ny vahoaka, ny fikatsahany izay hampandroso ny fanjakana. Ary farany, ny tsy fanamparam-pahefana. » • Charles Ranaivo : « Maro be ny mihevitra fa… ny fahendrena n any fahaiza-miaina dia tsy mba liana fianarana ombam-pikelezana aina sy fikirizana. » • ED Andriamalala : « Eny fomban’ireo mitana ny fahefana ny mampino ny vahoaka, noho ny hafetseny sy ny faniriany hitoetra eo amin’io toerana io mandrakizay, fa raha lasa izy ka soloan’ny hafa dia ho levona ny tanindrazana. » Tak : 4 Fanagasiana • Michel Andrianjafy : « Ny fahamarinana no hanim-pihinana, ny rariny no rivotra ivelomana, .. sambatra ny tany anjakany. » D - Ny Fifandraisan’ny Fahalalana sy ny Fahendrena Mifameno tokoa ny fahalalana sy ny fahendrena satria hanambaka ny namany fotsiny ny olona raha tsy misy ireo . Hoy Ranaivo : « Maro ny mihevitra fa rehefa mahay dia tsy maintsy ho hendry. » Hain’ny sasany indray ny manararaotra ny hafa hampanginana ny tokony ho izy. Mandringa indray ny fahendrena tsy ampy fahalalana. Tokony ho ambonin’ny fahalalana ny fahendrena satria tsy takon’ny fahalalana ny ditra isan-karazany. Tokony ho tsapan’ireo avara-pianarana fa andrin’ny firenena izy ireo amin’ny fahaizana ananany. Takiana aminy kosa ny fahendrena izay mitoetra ao aminy ary izay no andrasan’ny Nosy aminy ho fampandrosoana ny taniny. Tsoa-kevitra : Miara - dalana hatrany ny fahalalana sy ny fahendrena satria mandringa ny fanabeazana na ny famolavolana olom-banona raha tsy eo ny iray amin’izy ireo Tsy ampy velively ny fananana manam-pahaizana ; raha tiana handroso ny firenena fa tokony ho kendrena ihany koa ny fanabeazana ny fanahy maha-olona ; indrindra ireo tanora vao misondrotra. Araka izany, tanjona ny fananana ny fanahy maha olona ka tokony hokendrena miaraka amin’ny fananana fahaizana amam-pahalalana. Hojerentsika manaraka kosa , rehefa hitantsika izay ny mahakasika ny Fahendrena sy ny Fahalalana . Ny olombelona tsirairay avy dia afaka manorona : E. Ny Fifanajana 1 . Famaritana : Fifamaliana asa ataon’ny olona roa momba ny fametrahana ny hasina sy fahamendrehan’ny olona iray ny atao hoe « fifanajana ». Tsy afa-misaraka amin’izany ny fahalalam-pomba sy ny fitandroana ny aina. 2 . Ireo sehatra anehoana ny fifanajana Tokony anehoana fifanajana ny toerana rehetra ; Ao an-trano , mifanaja ny mpivady, ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny zanaka samy zanaka . Any amin’ny toeram-piasana : mifanaja ny mpiasa sy ny mpampiasa ary ny samy mpiasa. Aty an-tsekoly : ny samy mpanabe, ny mapanabe sy ny mpianatra; ny samy mpianatra. Ao amin’ny toeram-pitsaboana : ny mpitsabo sy ny marary ary ny mpiandry marary • Any anaty fiara fitateram-bahoaka : tokony hifanaja ny mpitatitra sy ny mpandeha ary ny samy mpandeha, omena toerana ny raiamandreny na ny vehivavy bevohoka ary ny mitaiza kely • Any an-dalana : manao ombay lalana rehefa handalo raiamandreny, mitondra ny entana entin’ny zokiolona, manao azafady raha mandona olona,…(26) 3. Ny fanajana ny tontolo iainana - Tokony hohajaina koa ny zava-manana aina rehetra sy ny tontolo iainana ankoatra ny olona samy olona. - Hajaina ny fahadiovana: atao amin’ny toerana iray ny fako, manao lava-piringa - Kolokoloina ny tontolo iainana: mamboly hazo, tsy mandoro tanety na ala. - Hajaina ny harem-pirenena toy ny lalana, tranom-panjakana . 4 . Tombontsoan’ny fifanajana Milamina ny fiarahamonina Mahavokatra ny Firenena Mandroso ny Firenena Miteraka ny fanajan’ny hafa ihany koa 5 . Endrika anehoana ny fifanajana Maro ny endrika anehoana ny fifanajana fa azo fintinina amin’ny teny hoe fahalalam-pomba : Manao ombay lalana raha hialoha olona . Manao azafady raha misy fahadisoana . Mikendry ny tsy hanafitohina ny hafa . Manaja ny maha izy azy ny hafa sy ny maha olona . 6 . Ohabolana momba ny fifanajana « Izay hajaina tsy ho andriana, ary izay manaja ; tsy ho andevo » « Aza mitsako alohan’ny vazana » « Aza manao rano dikain’ny Zinga » « Arahabao ny mpandalo fa tsy fantatra izay ; ho fara-rafozana » « Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana » « Mananjoky afak’olan-teny, manan-jandry afak’olan’entana » F . Ny Fihavanana 1- Famaritana Ny Havana : Antsoina hoe « Havana » amin’ny ankapobeny ireo olona iaraha-monina, izany hoe, iaraha-mivelona, iaraha-miaina ka ifaneraserana isan’andro. • Ny « mpihavana » kosa ireo olona iray ra, fototra niaviana, iray razana iombonana, ireo no atao hoe havana akaiky. • Lazaina hoe : lafin-kavana; kosa ireo havana lavitra na havana tetezina. Ny fihavanana : Fifandraisana tsara, akaiky teo amin’ny olona mpiara-belona na iray fianakaviana mihitsy ny atao hoe fihavanana. Avy amin’ny teny hoe Havana izy io, izay midika hoe olona ifandrasana akaiky na fianakaviana mihitsy. Fihetsika anehoana ny fihavanana : Ireto avy izany : - Fifankatiavana - Fifampintsimbinana - Firaisankina - Fifamangivangina - Fifamonjena - Fifanampiana Ireo karazana endri-pihavanana misy : Miseho amin’ny karazany roa ny fihavanana : E.1 Fihavanana voajanahary Fihavanana ara-pihaviana : Efa miforona io karazam-pihavanana io raha vao teraka ny olona. Olona mifamatotra ao anaty tetiarana iray, iray razambe niaviana. Mety ho lavitra na akaiky ny fifandraisany, Mamatotra azy ireo ny ra iraisana. Ohatra: fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka . E.2 Fihavanana eo amin’ny mpiara-monina Tsy mivoana amin’ilay tena fihavanana izy ; tsy mampiova ny fifandraisana amin’ny Fihavanana ara-pihaviana ihany , kanefa mety hanimba azy raha to aka tsy voatandrina izany . Mampisy elanelana ihany koa indrindra fa samy manana ny Finoana arahana ny tsirairay na io fiandaniana politika tsy mitovy dia mety haningotra ny Fihavanana ara-pihaviana tokoa . Ny Fihavanana eo amin’ny mpiara-monina indray dia mametratra fepetra , raha toa ka nifanao fati-drà tsy hifamadika ny roa tonta . Hita taratra eo ihany ilay Fihavanana tsy manao am-po saingy aleon’ny olona maty havana akaiky toy izay very namana . (26) Lasa fihavanana an-jambany sisa ny Fihavanana ara-pihaviana raha manjaka ny fifampiandaniana sy ny fitokotokoana . Tokana ihany ny hampanjaka azy dia ny fanajana ny soatoavina ihany . Ny ankamaroan’ny olona dia mirona amin’io hevitra faharoa io , noho ny antony maro ; indrindra fa ny fitadiavana mandrato harena lavitra ka izay mponina any G - Ny Fianakaviana 1. Famaritana : Ara-baki-teny : f - i - anak (a) -avi- ana f : tovona famoronana anarana i - … - ana : tsirin-teny sara-droa anakavi: fototeny midika hoe : isika zanaka daholo (anaka+avi) ; zanaka teraka tonga hanatevina ny isa ao amin’ny ankohonana . Anarana ilazana ny toetry ny fiitaran’ny taranaka Ara-kevi-teny : Ny atao hoe fianakaviana dia fitambaran’ny ankohonana maro iray fototra izay ampifandraisan’ny ra iraisana, fehezin’ny fomba fisainany sy ny foto-kevitra mampiavaka azy amin’ny hafa. 2. Ireo anarana ifampiantsoana ao anaty fianakaviana : 1. Dada sy Neny : ireo ray aman-dreny niteraka 2. Zanaka : ireo zaza naterak’ireo ray aman-dreny, taranaka voalohany na antsoina ihany koa hoe masondranony, masomboly 3. Dadabe sy Nenibe : no iantsoan’ny zanaka ny ray aman-drenin’i Dada sy ray aman-drenin’i Neny, izany hoe raibe sy reniben’ny zanaka, 4. Rafozana : ny iantsoan’ny lehilahy ny ray aman-drenin’ny vadiny sy ny iantsoan’ny vehivavy ny ray aman-drenin’ny vadiny. 5. Dadatoa sy Nenitoa : Ny rahalahin-dray voalohany sy ny anadahin-dreny voalohany , rahavavin-dreny voalohany sy ny anabavin-dray voalohany. Antsoina ihany koa any amin’ny faritra sasany hoe Mamabe sy Papabe na Mamahely sy Papahely . 6. Dadanaivo sy Neniraivo : Ny rahalahin-dray sy ny anadahin-dreny rehetra eo anelanelan’ny matoa sy ny farany sy rahavavin-dreny sy ny anabavin-dray rehetra eo anelanelan’ny matoa sy ny farany. Izany hoe an’ivo. 7. Dadafara sy Nenifara : Ny rahalahin-dray farany sy ny anadahin-dreny farany, rahavavin-dreny sy ny anabavin-dray farany. 8. Zaodahy na Valilahy na Valy kosa no iantsoana ny : Anadahin’ny vady Rahalahin’ny vady Vadin’ny anabavy Vadin’ny rahavavy 9. Antsoina ihany koa hoe Zaobavy ny : Rahavavin’ny vady Vadin’ny rahalahy Vadin’ny anadahy Anabavin’ny vady Antsoina hoe Ranaotra na Velahy , ihany koa . 10. Vinanto : Vadin’ny zanaka  Ireto kosa ny fanehoana ny taranaka : 1. Zanaka = Taranaka voalohany : Zanak’i Dada sy Neny 2. Zafikely = Taranaka faharoa : Zafikelin’ny Dadabe sy Nenibe ; no eto amin’io laharana io . 3. Zafiafy = Taranaka fahatelo ; fa kosa taranaka faharoa raha miainga eo amin’ny zanaka nateraky ny zanaka . Taranaka fahatelo kosa raha miainga avy amin’ny Ray aman-drenin’ny zanaka . Zafikelin’ny Zanaka , fa ny laharana entiny kosa eto dia Zafiafin’i Dadabe sy Nenibe . 4. Zafin-dohalika = Taranaka faha efatra ; fa kosa taranaka faha telo raha miainga eo amin’ny Zafikely naterakin’ny zanaka . Taranaka faha efatra kosa satria miainga avy amin’ny ray aman-drenin’ny zanaka . Zafikelin’ny Zafikely izy eto . Fa ny laharana entiny kosa dia Zafin-dohalik’i Dadabe sy Nenibe . 5. Zafi-kitrokely = Taranaka faha dimy ; fa kosa taranaka faha efatra raha miainga , eo amin’ny Zafin-dohalika nateraky ny zanaka . Taranaka faha dimy kosa satria miainga avy amin’ny ray aman-drenin’ny zanaka . Zafikelin’ny Zafiafy izy eto ; fa ny laharana entiny kosa dia Zafi-kitrokelin’i Dadabe sy Nenibe . 6. Zafim-paladia = Taranaka faha enina ; fa kosa taranaka faha dimy raha miainga eo amin’ny Zafi-kitrokely nateraky ny zanaka . Taranaka faha enina kosa satria miainga avy amin’ny ray aman-drenin’ny zanaka . Zafikelin’ny Zafin-dohalika izy eto ; fa ny laharana entiny kosa dia Zafim-paladian’i Dadabe sy Nenibe . 7. Zafi-doria = Taranaka faha fito ; fa kosa taranaka faha enina raha miainga eo amin’ny zafim-paladia nateraky ny zanaka . Taranaka faha fito kosa satria miainga avy amin’ny ray aman-drenin’ny zanaka . Zafikelin’i Zafiki-kitrokely izy eto ; fa ny laharana entiny kosa dia Zafi-dorian’i Dadabe sy Nenibe . Fa kosa ny Zafy mafy na Zafy tsy torana : entina milaza ireo taranaka efa lavitra dia lavitra ka tsy mba mitomany intsony raha mandre fa efa maty ireo razam-beny dia ny ray aman-drenibe izay nipoiran’ireo zanaka niteraka ny zafikely ary ny zafikely niteraka ny Zafiafiny ary ny Zafiafiny niteraka ny Zafin-dohalikany ary ny Zafin-dohalikany niteraka ny Zafi-kitrokeliny ary ny Zafi-kitrokeliny niteraka ny Zafim-paladiany ary ny Zafim-paladiany kosa niteraka ny Zafi-doriany . Mitohy kosa ny taranaka manomboka eo amin’ny zafiafy ary manangana ray aman-dreny vaovao indray saingy tsy natao hanadinoina ireo ray aman-dreny nipoirana izay lasa razambe teo amin’ny Malagasy . Ny Malagasy mantsy dia hatreo amin’ny Zafikelin’ny zanany ihany no mba tratrany ; fa misy ny mahatratra ny Zafiafin’ny zanany . Misy aza moa ny zanany ihany no tratrany dia maty izy . Raha izany dia ilay zanaka sisa no mampahafantatra ny fisian’ilay ray na reny maty satria Masoandro amam-bolana izy ireo na ihany koa mbola kely izy no maty ny raibeny na ny renibeny • Fomba atao hampirindra ny fianakaviana Mba hisian’ny fiainana milamina sy mirindra eo amin’ny fiainam-pianakaviana dia ilaina ny fisian’ny: fifankatiavana, fifanajana, fifandeferana, fifanampiana, fifampitsimbinana, fifampitokisana, … • Ohabolana sy oha-pitenenana : « Izay iray donak’afo, iray dinidinika » « Ny zoky mitsaha-kota, ny zandry no tompon’ny farany » « Manan-joky afak’olan-teny, manan-jandry afak’olan’entana » « Raha revon’alahelo, ny havana no itarainana » « Tsy ny donak’afo no mahafana ny trano fa ny mpianakavy mifanara-tsaina » « Izay mahavangivangy tian-kavana » « Ny havan-tiana tsy iaraha-monina » « Ny alahelo tsy ambara havana, zakan’ny tompony ihany » « Havana raha misy patsa, fa raha lany ny patsa dia havan-tetezina » « Ory hava-manana » « Tarana-boanjo foto-boanemba » « Ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara » • Tenin’ny mpandinika : Hoy Joseph Rabetafika : « Ny marina tsy ambara havana, heloka mibaribary » *Ny hasoa sy ny hamamin'ny fianakaviana : Tsy misy izay tsy miaika fa raha misy koa toerana soa sy mamy eto an-tany, dia tsy misy ohatra ny akanin'ny fianakaviana. Raha misy manjo ny tena na dia efa lehibe aza dia ny havana ihany no idodododoana, indrindra fa i dada sy i neny raha mbola eo ireo. Fa hoy ny Ntaolo : . Fa ny havana havana ihany. . Isika izao, hoy koa izy, no velona iray trano, maty iray fasana . Molo-bilany ka iray mihodidina ihany . Ilailava mandry amorom-patana : zovy ity ka tsy iza fa izaho ihany. Ny hamamin'ny fianakaviana dia azo lazaina fa avy amin'ny fitiavan'ny ray aman-dreny ny zanany. Ny Malagasy dia malaza ho tia anaka. Jereo ireo angolangolan'anarana ilazany ny zanany : sombin'ny aina ; menaky ny aina ; silaky ny aina ; vahatra ny aina; vololon'ny aina...Nahoana no dia hasoahasoany toy izany izy ireo ? Satria ireo no handriana amorom-patana; hanala volo fotsy; ary indrindra hamelo-maso sy handimby anaran-dray soa. Ny fitaran'ny fianakaviana : H .Ny tokantrano : Rehefa lehibe ny zanaka lahy dia lasa mivoaka hanambady, ny zanaka vavy kosa avoaka hanambady , ka manorin-tokantrano hafa. Mitombo isa amin'izay ny fianakaviana : ny ray aman-drenin'ny zanaka manambady dia miantso ny vadin-janany hoe « vinanto » ary ireo kosa manao azy ireo hoe « rafozana », ny iray tamp-po amin'ny vady dia « zaodahy » ary antsoina hoe « ranaotra ». Zava-dehibe tamin'ny Ntaolo ny tokantrano sy ny fanonrenan-tokantrano satria tsapany fa ny tokantrano no fototry ny fianakaviana. Nefa tsy niafina taminy koa ny hasarotan'ny fanorenan-tokantrano sy ny anjara raisin'ny vehivavy amin'ny fitondrana sy fikajakajana ny tokan-trano : . « Ny tokantrano tahaka ny landy, ka ao an-trano vao manatevina . « Ny tokantrano fihafiana » . « Ny tokantrano tsy ahahaka » . « Ny tokantrano tsy ary mitovy » . « Ny vehivavy no tompon'ny trano » Ny vehivavy tsy mahapetraka an-trano dia nataony hoe: vehivavy fotsy varavarana; izany hoe ilaozany matetika ka mirindrin-dava ny tranony, koa fotsy ny varavarany satria tsy voakasikasika, fa tsy mba ivoahana sy idirana mandrakariva, sady tsy misy donak'afo mivoaka hanamainty molaly ny varavarana ka fotsy. Ny vehivavy toa izany dia tsy zakan'ny vadiny sady afa-baraka amin'ny tany ama-monina. Ary tsy izany ihany fa fahoriana ho an'ny zanany koa ka mahatonga ny fitenenana hoe « janga reny ka botry anaka ». (27) I . Ny Fahaterahana (28) Tsy dia hivalaparantsika satria efa mba fantatsika tany aloha tany ary mbola miara miaina amintsika ankehitriny . Fa hoy ny Ntaolo maneho izany . . « Iri-maha-ory ; toa ny zanaka » . « Ray ama-dreny sy zanaka : tambazako izay mahafoy ; raha tsy ditra re no hisarahana » . « Ny zanaka toa ny tanan’akanjo ; atsipy , eo an-damosina ihany ; asavily , eo am-pofoana ihany » . « Tsy misy mamy noho ny zanaka ; fa raha manaiki-babena akifika ihany » . « Zaza voky , tsy mahatsiaro ray aman-dreny » J . Ny Fahafatesana : Famaritana Ara-piforonan-teny : - f: tovona famoronana anarana - aha - …- ana : tsirinteny sara - droa maneho toe-javatra - faty: fototeny = izay tsy afa-mihetsika intsony ; mihinjitra Fahafatesana: anarana ilazana ny toe-javatra izay tsy afa - mihetsika intsony. Ara - kevi - teny : Ny atao hoe fahafatesana dia ny fisarahan’ny aina amin’ny vatana eo amin’ny olona iray. Ny fahataperan’ny androm-piainan’ny olona eto an-tany, fihatahana na fandaozana ny fahavelomana, fiverenan’ny nofo ho vovoka. Fiampitan’ny velona mankany amin’ny tontolon’ny razana. J.1 Ny antony mahatonga ny fahafatesana : - Ny aretina : tazo, pesta, fahatapahan’ny lalan-dra, fijanonan’ny fo tampoka, … - Ny mosavin’olona , toin’ny : voankanina, raodia, - Ny voina isan-karazany : vonoan’olona, loza voajanahary, varatra, - Ny famonoan-tena - Ny fahanterana, … Ny endrika isehoany : Ny amantarana fa maty ny olona iray dia : - Tsy miaina intsony - Mangatsiaka ny vatany - Tsy mitepo intsony ny fony - Mihinjitra be - Miakatra ny masony - Mety ho hatsatra na mangana ny endriny Ny fomba atao raha misy maty : Misy ny fombafomba atao alohan’ny fandevenana, raha misy ny olona maty. Dingana voalohany: vao tapitra aina : - Ahirina ny masony . - Fatorana miakatra any amin’ny loha ny valanoronony na ilay antsoina hoe hamama . - Azo atao ihany koa ny mamoaka ny maloto ao aminy na sesehana vori-damba ireo lavaka rehetra mba tsy ivoahan’izany. - Ampandroina . - Ampanaovina fitafiana madio . - Ahitsy manaraka ny vatany ny ratsambatany . - Apetraka eo amin’ny toerana iandrasana azy izy . - Raha ny fomba malagasy dia eo vao mitomany amin’izay ny fianakaviana . - Ampandrenesana ny fianakaviana sy ny valala mpiandry fasana . - Tonga mampionona ny mpiara monina sady manampy amin’ny fikarakarana rehetra ( vonjy taitra na midodododo ) Ohatra : - Fandaminana ny ao an-trano - Fikarakarana ny taratasy - Fividianana ny lamba, Dingana faharoa : famangiana Kabary na teny famangiana manjo : Mpamangy : Akory amby ianareo, tompoko Vangiana : Indreto izahay tompoko Mpamangy : Mamangy amin'ny fahoriana, tompoko Vangiana : Misaotra tompoko, hotahian'Andriamanitra anie ianareo Mpamangy : Olona iray ihany no miteny = Azafady indrindra, ry izy mianakavy, fa amin'izao fahoriana midona sy mihatra aminareo izao dia tonga eto izahay ; izay tsy hafa fa mpiara-miasa, iray vatsy, iray aina, iray trano, iray donak'afo, iray petsapetsa amin'Itompokolahy .Tsy tonga hamendrofendro na hanetsika alahelo anefa na hanampy trotraka ny ratram-po izay efa mianjady aminareo, fa tonga hanao tongotra miara - mamindra, soroka miara - milanja ; ka iray alahelo aminareo. Ny varavarana nivoahana mantsy tompoko, no anareo, fa ny fahoriana sy ny alahelo ; dia iarahantsika mianakavy mizaka ; satria tsy maintsy misy moa ny mpampangy sy ny vangiana dia izany no antony itsangananay eto, satria tsy maintsy mifankahery isika , fa raha tsy izany dia mipetraka ho vangiana koa izahay, amin'ny maha iray antsika . Vitsivitsy ihany izahay no indreto tonga midodododo manoloana anareo, noho ny adidy aman’andraikitra samihafa sy ny tokatrano samy manana ny azy, dia solon-tena no tonga . Atao ahoana moa, tompoko, fa tsy maintsy mionona isika , fa izay no sitrapon'Andriamanitra. Izy no nanome ary Izy koa no naka, ka isaorana eto ny Anarany. Ary fantatsika tsara koa fa fandalovana ihany ny eto an-tany, ary vahiny sy mpivahiny isika, ka rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy handehanana dia mbola handalo amin'izany ihany isika. Tombon-dalana ny azy fa isika rehetra mbola ho any avokoa. Noho izany mahaiza mionona, tompoko, fa izy tsy hiverina intsony ary isika mbola ho any. Mahaiza mionona ary mahereza , tompoko. Vangiana : Misaotra anareo ( lazaina eo ilay mpamangy raha tadidy ), tompoko, izahay amin'izao fahatongavanareo izao sy fijoroanareo mampionona anay izao. Mafy sy mavesatra tokoa ny fahoriana noho ny fisarahana, satria andry lehiben'ny fianakaviana tokoa no lasa. Kanefa noho izao ataonareo izao, tsy namela anay hitomany irery, fa avy midodododo, maneho ny fiaraha-miory sy miara-mizaka ny mafy aminay. Tsy misy mampionona aza, tompoko, mionona, mainka fa misy anareo marobe tsy manadino, mampahery anay toy izao! Ka dia misaotra, tompoko, ary enga anie mba ho fifaliana indray no hihaonantsika fa tsy fahoriana intsony. Mpamangy : Aza misosoka alahelo intsony, tompoko. Vangiana Eny, tompoko, Mpamangy : araka ny fomban-drazantsika moa izay mbola tohizintsika mandraka ankehitriny, dia indreto izahay tsy tonga hampifendrofendro fa kosa mitondra ny varavaintikely voatsirambin'ny tanana izahay ho fao-dranomaso ( na solon-dranom-bary tsy masaka nasolon-drambon-damba ) ho an'ny maty, mba ho mariky ny firaisantsika sy ny fifankatiavantsika ( raha hanatitra lamba na voninkazo, dia omena amin'io koa ). ( Manolotra vola anaty valopy misy ny anaran’ireo fianakaviana rehetra tonga mamangy. Io tolotra io dia omen’izay olona efa voatondro hatramin’ny voalohany an’izay olona iray vangiana mipetraka eo anoloana eo ). Dia ho tsara levenana anie ny maty ary ho henikaja amam-boninahitra koa anie ny velona ! Ho lasan’izay ny ratsy sy ny loza mahazo antsika izao fa dia mba ho tsara sy ny soa ary ny mahafinaritra amin’izay no aoka hifanodiavantsika mianakavy Vangiana : Mbola mamerina ny fisaorana sy fahatelemana anareo ihany izahay, tompoko, amin'izao ataonareo izao. Tsy vitan'ny fahatongavanareo fotsiny sy fitondranareo ny teny mamy, fa mbola nampiarahanareo vola aman-karena indray. Mionera be ny lany. Ka tsy ny maty akory no mahafaly , fa izao ataonareo izao no tena mahavelom-pisaorana. Misaotra tompoko. Mpamangy : Raha amin'ny tokony ho izy dia tokony hiara-mipetrapetraka eto isika, nefa noho ny adidy tsy azo ialana sy zarazarain'ny tokantrano samy manana ny azy, dia mangata-dalana aminareo izahay, ka hilaozanay hitsaitsaika aloha ianareo. ( raha handeha ny mpamangy no miteny izany, fa raha mbola hijanona izy dia toy izao ny tenenina ) Izahay moa, ry izy mianakavy, mbola hiara - kipetrapetraka aminareo eto ihany ka mbola tsy hifanao veloma aloha isika fa dia mahaiza mionona daholo. Vangiana : Eny, tompoko, tsy misy tsiny mihitsy raha handeha ianareo, satria mipetraka eto ianareo hanao adidy, handeha any ianareo mbola hanao adidy, ary izahay moa mbola eto ihany, ka dia omen-dalana ianareo ary mbola mamerina ny fisaorana farany, tompoko. Mpamangy : Aza misosoka alahelo intsony tompoko Vangiana : Misaotra tompoko Fanamarihana : Mandray tanana ny vangiana ny mpamangy vao mitsaitsaika mivoaka na mipetraka. Raha betsaka loatra anefa ny olona vangiana dia ny eny aloha ihany matetika no raisina tanana. Santionana famangiana manjo ihany io fa miankina amin'izay tiana hotenenina sy ny fomban-tany ny famangiana manjo. *Toy izao no hita amin’ny toerana izay misy manjo : - Maka toerana ny tompo-manjo na mana-manjo. - Mifandimby mitsapa alahelo araka ny fandaminan’ny fianakaviana ny mpamangy. *Ny fianakaviana sy ny mpiara monina tonga eo dia manolotra ny : Faodranomaso : solon-tsosoa : solon-dranombary tsy masaka : ho an’ny velona na Singan-dandy na Solon-drambon-damba na Solon-kofehy ho an’ny maty *Fady : Ny mandevina ny Talata sy ny Alakamisy raha tsy aorian’ny maty masoandro , izany hoe any ho any amin’ny 5 ora hariva any ; ka raha rehefa rizareo no miteny hoe mbola misy Havana ; zanaka ; namana tsy foy dia fandrebirebena fotsiny izany fa miandry ny masoandro ho folaka . *Dingana fahatelo : fiandrasam-paty - Tahotra ny handevim-belona - Fanehoan’ny mpira-belona ny fiaraha-mizaka ny fahoriana - Fiandrasana ny fianakaviana lavitra - Rosoan’ny fianakaviana ny kafe, dite, paraky, toaka ny mpiandry faty. - Misy ny hira iarahana na ifandimbiasan’ny mpiari-tory. *Dingana fahaefatra : famonosana - Antsoina hijery azy farany ny havany akaiky, mijanona izay te hanatrika ny famonosana - Avelatra ny tsihy - Alahatra ny lamba ka atao ambony indrindra ny manolo-koditra - Asesy avy any ambony ny fatorana ka ny faralahin’olona no mamarana izany mba hifarana hatreo ny voina mahazo ny fianakaviana. Atao fato-maty ara-bakiteny ilay fatotra, raha sanatria ka tapaka dia tsy azo atohy fa asisitsisika fotsiny.  Ny hevitry ny isan'ny fatotra atao amin'ny faty : Atao 7 farafahakeliny ny fatotra satria izay no tena mahafehy tsara ny vanin-taolana rehetra amin'ny vatan'olombelona. Izany hoe fatorana eo amin'ny loha na vozona, sandry, tanana, fe, ranjo. Ny fatotra roa ; dia manidy an'ilay lamba. raha faty lena , dia tsy azo atohy ny kofehy famatorana ny razana fa atao isaky ny vanin - taolana fito na dimy arakaraky taona fanaovana famadihana ary fato - maty no filaza azy. Fa rehefa mamadika kosa tonga ; dia kofehy lavabe no atohy ary fatorana ny faty Rehefa rava ny nofo , ka tsara fatotra ; dia tsy miparitaka mihitsy ny taolana fa tratran'ny famadihana tsara maharitra 7 na 5 taona ary amin’ izay indray vao mamono lamba vaovao na isian'ny famadihana. Ny afaka mamatotra razana dia olona tokony mbola velon-dray aman-dreny ary lehilahy ary izay zandry olona manatrika eo no manao ny fatotra farany. Mazava ho azy moa , fa fianakavian'ny tompo-manjo no manao izany fatotra izany. Momba ny olona mamatotra indray dia tsara raha lehilahy. satria - Mafy kokoa ny fatotra amin'izay - Matanja - tsaina kokoa ny lehilahy Tahaka izany koa, ny zokiny no asaina mamatotra mialoha amin'izay mba efa tsy maninona intsony ny zandriny rehefa mamatotra. Raha tsy avela mamatotra indray ny zandriny dia halahelo. Rehefa mamadika dia atao isa tsy ankasa ny fatotra ary am-pifampitohizana izany satria fahasoavana no tadiavina. Rehefa fahoriana dia atao isa ankasa ny fatotra ary tsy atao mitohy ny fatotra satria taperina teo ny fahoriana. Amin'ny Malagasy ny famatorana faty lena dia natao isa feno izany hoe ankasa 6 ; ny antony dia ilay fiteny hoe mba ho lasan'izay ny ratsy rehetra. Tsy mitohy io fatorana io fa tady samihafa no hamatorana azy. Ny faty maina kosa dia natao isa tsy feno na tsy ankasa ary miakatra ny fatorana tady iray ihany no mamatotra azy miala amin'ny tongony mankany amin'ny lohany. Ny antony dia fifaliana ny famadihana midika fahasoavana dia ny hitomboan'ny fahasoavana sy fitohizan'ny fifaliana no antony. Fanamarihana : Ny razana tompoko dia tsy misy maina sy lena izany ary ny razana dia tsy fonosina izany fa io fonosintsika io dia faty na taolambalon'ny maty. Tsy ny maty rehetra akory dia ho lasa razana daholo. Misy dingana fepetra ny hahatongavana amin’izany zany. Tsy hoe mpamosavy na mpanao ratsy teo amin’ny fiaha - monina ohatra ilay olona ; dia ho lasan-korazana. (29) - Ampanarahina azy ny zavatra tsy foiny *Dingana fahadimy: fandevenana : - Mampahafantatra ny fotoana handevenana ny valala mpiandry fasana ; efa voalaza tery aloha fa ny andro Talata sy Alakamisy dia andro tsy andevenana - Hadina, sokafana, vohaina mialoha ny fasana ary avela hivoha elaela ilay fasana vao azo idirana satria mety hanempotra . Tsy azo natao teto amin’ny Ntaolo ny mangady lavaka alohan’ny handevenana raha tsy efa maty ilay olona - Omena sakafo avokoa ny olona tonga eo amin’io fotoana io. Tsy maintsy mamono omby hatao laoka ka ny hena amin’io no atao hoe: hena ratsy na hena lofo. - Atao amin’ny zavatra hitondrana azy ny maty (vata na tranovorona) ary avoaka eo an-tokontany ny razana, io no atao hoe manainga mavesatra ( ny tongony no alefa aloha) - Misy ny kabary fisaorana ny mpamoaka razana, tonga manotrona sy nikarakara ataon’ny solon-tenan’ny fianakaviana. Ity no atao hoe Kabary tsy valiana . - Entina miala ny tanàna ny razana ( ny tongony no avoaka aloha ) . - Ampandalovina eo ambony lohan’ireo havany ny vata-paty, na ny trano-vorona - Raha manambady ny maty dia mitondra vato roa antsoina hoe vatovelona sy vatomaty eny am-pandevenana izy . - Misy ny fanambarana mombamomba ny fiainan’ny maty . - Ireo mbola tsy nahavita famangiana ; dia mamangy. Tandremo tsy maintsy miamboho fasana ny vangiana (30) - Fanitrihana ny razana ; ny lohany no ampidirina mialoha ary mijery ny nametrahina azy farany ny fianakaviany - Raha kambana kosa no maty dia ampanarahana vatan’akondro izy no alevina . - Rehefa voasitrika ny razana, dia atsipin’ny vadin’ny maty any amin’ny fasana ny vatomaty fa entiny mody kosa ny vatovelona . - Dorana ireo trano vorona, na tsinjarain’ny fianakaviana . - Misy ny kabary atao ho fisaorana ny mpandevina . - Raisina tanana ny fianakaviana dia mody ny mpandevina ary tsy miverina amin’ny lalàna nidirana fa lalana hafa no ivoahana raha misy Dingana fahaenina : aorian’ny fandevenana (31) - Mandika afo ny mpandevina rehefa tonga any an-trano - Andorana fingotra na fato-bolo ao an-trano - Rehefa afaka andro vitsivitsy dia misasa eny amin’ny renirano ny fianakaviana, avalana rano ny akanjon’ny maty anankiray ka miara-miteny hoe ho lasan’izay ny ratsy . - Misaona ny fianakaviana: aseho amin’ny fitafiana lamba mainty, taovolo, ny an’ny lehilahy fihinina eo amin’ny sandry ny lamba fa tsy atao eo amin’ny soroka, ho an’ny vehivavy atao bango tokana ny volo dia atao any aoriana, tsy asiana menaka mihintsy ny loha mandra-piala saona, ary atao tery helika ny lamba, Taty aoriana vao nisy ny akanjo fotsy, na akanjo mainty, bokotra fotsy na bokotra mainty. - Misy indray ny fotoana izay ifanarahan’ny fianakaviana hatao hialana saona (30) Rehefa vita ny fandevenana dia iarahan’ny fianakaviana nijery ny zavatra lany rehetra tamin’iny fahafatesana iny ary ny ampitsony andro nandevenana kosa : atambatra ny fao-dranomaso rehetra natolotry ny olona. Aterina ny volan’olona rehetra izay mbola tsy voaloa tamin’iny fahafatesana iny koa raha sendra tsy ampy dia ny fianakaviana no mifampidinika amin’izay famenoana azy. Rehefa tsy ananan’ny olona trosa intsony tamin’iny fahafatesana iny ny fianakaviana vao azo lazaina hoe : tontosa ny fandevenana (31) Ny hevitry ny fomba raha misy maty : - Ny famangiana manjo dia maneho ny fihavanana sy ny firaisankina, ho fanehoana ny fiaraha-miory, ho fampiononana ny mana-manjo. - Ny fampandroana ny olona maty dia ho fandiovana azy tamin’ny heloka rehetra nataony, ho fampitana azy hiditra any amin’ny tontolon’ny razana. (31) - Ny fiaretan-tory dia tahotry ny handevim-belona, fanehoam-pihavanana, ho fanampiana, fanotronana ny mana-manjo, ho fanaovana veloma farany ilay olona maty, tahotra ny mpamosavy K. Ny Famadihana : anarana ilazana ny toe-javatra miseho amin’ny endrika vaovao, tsy mbola hita Ara - kevi - teny : Ny atao hoe famadihana dia famonosana lamba vaovao ny razana izay efa maty na koa famongarana azy indray. Fomba fampitana ny maty ho amin’ny tontolon’ny razana. Marihina fa tsy ny rehetra no mamadika. Ohatra ny andriana.  Ny endrika isehoan’ny famadihana : Mety hiseho amin’ny endrika maro ny famadihana : - Ny famonosan-damba ny taolam - balo izay milevina ao amin’ny fasan-drazana - Famindrana ny razana ao amin’ny fasam-bao . - Fampidirana am-pasan-drazana ny faty natao an’irotra . - Fampodiana am-pasan-drazana ny taolam-balo ny olona maty tany am-pilana ravin’ahitra . *Samy manana ny fomba fanatanterahany ny famadihana ny faritra na ny ireo vondron’olona teto amin’ny Nosy . Ohatra amin’ireny ny any amin’ny : - Sakalava atao hoe Fafa Lolo : fanadiovana ny ivelan’ny fasana . - Tanosy sy Antaisaka, atao hoe Takombato : fananganana tsangam-bato asiana tandrok’omby novonoina nandritra ny lanonana . - Betsileo atsimo atao hoe Mandofo razana : tsy mikasika razana fa rakofana lamba avy eo ambony na saforana .  Ny rafitry ny fomba *Ny fanomanana : - Herintaona mialoha dia efa mitady vola satria mila izany ny famadihana . - Mijery andro tsara any amin’ny mpanandro . - Rehefa tapa-kevitra dia mivory ny fianakaviana . - Atao ny fangatahana alalana any amin’ny fanjakana . - Mividy ny zavatra rehetra ilaina: fitafiana, lamban - drazana, ny omby . - Milaza mialoha amin’ny mpiara-monina . K.1 Ny fanatanterahana : Mivory ny fianakaviana izay otronon’ny fiarahamonina . Vonoina ny omby ka ilay omby vonoina amin’izany no atao hoe omby vadika Tonga manafana ny lanonana ny dobok’amponga, na ny mpitsoka mozika, na ny mpihira gasy Mifanampy amin’ny fikarakarana rehetra ny fianakaviana sy ny mpiara –monina . Anaovana sakafo mantsy ny olona rehetra tonga ao amin’io fotoana io . Ny olona nasaina rehetra dia mitondra vola atolotra ny tompon-draharaha ka io vola io no atao hoe: sao-drazana na atero ka alao, ary misy koa aza miteny hoe: kao-drazana, tso-dranon-drazana . - Rehefa andeha eny amin’ny fasana dia entina mandihy ny lamban-drazana na ny razana ( raha misy faty avy tany an-tany lavitra ) . - Mitondra tsihy kely ny tompon-draharaha mba hametrahana ny razana rehefa fonosina . - Avoaka tsirairay any ivelany ny razana hofonosina ka rehefa vita ; dia ampidirina indray . - Rehefa vita ny famonosana dia ifandrombahan’ny vehivavy te hiteraka ao amin’ny fianakaviana ny tsihy ka ataony izay nahazo azy ao ambany kidoro satria noheveriny fa hitondra soa izany .  Ny hevitra fonosin’ny fomba - Fangataham-pitahiana amin’ny razana . - Fanaovana adidy . - Fanamafisana ny fihavanana sy ny firaisan-kina . - Fampiraisana karan-doha ny mpianakavy . - Ny famadihana amin’ny ankapobeny dia fametrahana ny razana ho eo amin’ny toerana ambonimbony kokoa (araka ny fiheverana) mba hahafahany mitahy. - Ny fijerena andro tsara any amin’ny mpanandro dia mba hanambina sy hahazoana fitahiana ny zavatra atao . - Misy ny fandehanana mialoha eny amin’ny fasana mba hiantso ny razana sy hilaza amin’ny fotoana hikarakarana azy ireo atao hoe Mikoka . - Ny zava maneno sy ny mpihira gasy dia midika fa fifaliana no atao amin’ny famadihana . - Ny toaka dia tsy misaraka amin’ny famadihana. Koa ny hevitra fonoson’ny toaka amin’ny fomban-drazana dia fanajana, fanomezam-boninahitra, fanomezana hasina . - Ny fametrahana ny tsihy any ambany kidoro dia ny fiheverana fa hahazo fara sy dimby . - Ny fanotronan’ny mpiara-monina ny fianakaviana dia midika ho fanamafisana ny fihavanana sy ny firaisan-kina .  Ny fifandraisan’ny velona sy ny razana araka ny fiheveran’ny Malagasy - Manana adidy amin’ny maty ny velona ka mikarakara azy manafy lamba azy, mamboatra fasana ho azy, mampody azy any amin’ny fasan-drazana - Manana adidy amin’ny velona ny maty : mitahy, mitso-drano, miantoka ny velona (33) Soatoavina manana ny maha izy azy teo amin’ny Malagasy ny famadihana fa ny fivavahana kristianina no mahatonga azy hihen-danja eo amin’ny olona sasany amin’ny izao fotoana izao. Amin’ny kristiana mantsy dia fanompoan-tsampy ny fanaovana famadihana.  Ny vokatra ateraky ny famadihana 1 Ny tsara - Fitazonana ny fomban-drazana . - Fanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankina . - Fifankahalalan’ny mpianakavy . - Ny fiezahana hitady vola . - Mahavita adidy amin’ny razana . - Fikarakarana ny tanin-drazana toy ny trano, tany, fasana … - Miteraka fialam-boly ho an’ny fokonolona mpiray tanindrazana . 2 Ny ratsy - Mandany vola . - Mandany fotoana . - Mety hampiady ny fianakaviana ny fanantanterahana azy . - Mety hanimba fahasalamana . - Mety hisy ady noho ny hamamoana . - Mampitamberina ny alahelo . - Mampisara-bazana ny te hamadika sy ny tsy te hamadika . Ohabolana sy oha-pitenenana : « Raha razana tsy hitahy mifohaza hihady vomanga » 1.4.1 Ireo soatoavina tsy afa-misaraka amin’ny Malagasy : Hitohy....Tsy ho ela
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiainans-tsara
NY FIAINANA TSARA
Fredy Jaofera
NY FIAINANA TSARA Ny azoko ambara hipoiram-pahasoavana tsy hanam-piafarana : ny fiainana tsara dia avy amin'ny fitiavana tarihin'ny fahalalana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hatanorana
HATANORANA
AORN
Ny hatanoràna razandriko zany Dia tontolo kanto hisitràhana tsara Fa eo no mitobaka sy sesilany Ny aingam-pitia sy ny fo taratara Ny hatanoràna kanefa mazàna Mandringotra saina hampanao zay voarara Etoana sendaotra ny fo tsy voatàna Ka tojo hakiviana vao vaky barara Ny hatanoràna rehefa sedraina Dia azo fehezin’ny saina sy fo Tsy mampitomany na mapitaraina Satria ny ho tafita no atao ao an-doha Ka raiso am-pitiavana ny hatanoràna Mahaiza misaina mialoha ny hirosoana Ny hafa tsy ho faly dia avela hikodàna Ny ianao no alamino, tsy hirotorotoana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/tsiaro-ho-azy
Tsiaro ho azy
Nisainana RAFETRARIVO
Hitako ianao za mody tsy nijery Fa miaritra an'ilay fery Mahatsiaro n'y taloha Ka tohina n'y fo Fitiavako anao mbola tsy niova Toa mitoetra mandrakariva Raha ny faniriako moa tsy hiofo Saingyii........ toa fitia voarirarira Dia mitoetra aretina tsy mety sitrana Izay tsy ahitana fanafody Fa ianao ilay tiany, sitrany Hitondra azy amin'ny lalana mody Lasa olom~patatra sisa n'y amintsika Toa samy lasa raha eny an~dalana Ny lasintsika ao mangatsika Ahitra maniry eo ambaravarana Za tsy hanery oe miverena Fa henoy izay lazainy fo Ny fitiavantsika nihavery Ankiniko amin'ilay Tsitoha Base ill?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka-tohiny01
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA .....Tohiny
NY Andri-Fara
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA .....Tohiny 1.7.1 Ireo Fanjakana madinika nitsitokotoko : Ny Fanjakana Androy : Izy dia fanjakana nizarazara ihany koa ; ary niady matetika ka naha leo monina ny hafa tanteraka sy nampifindrafindra vohitra azy ireo : Andriamanonarivo ( 1540 ); tao Belanky no renivohim-panjakany ary izy no nisolo an-drainy amin’ny maha lahimatoa azy . Andriamamory : Izy dia nanjaka , tao Karimbola . Andriamififarivo ( 1600 - 1650 ) : Nitoetra , tao Belanky . Andriamanongarivo ( 1643 - 1701 ) : Nanjaka tao an-dohan’i Manambovo izy. Andriankirindra ( 1701 - 1717 ) no voalaza fa nanjaka tao atsinanan’i Manambovo . Andriamananjaka ( 1717 ) : Zana-drahalahin’Andriankirindra izy io nampanjakaina io . Andriamahavarina ( 1702 ) : Mpanjaka Antandroy izy . Andriamanenoarivo : Nanjaka tamin’ny taonjato faha 18 izy . Andriamahavelonarivo ( 1850 ) : Manjaka tao Androy . Andriamandalintany : Nanjaka tao ambondro . Andriamaneloarivo ( 1825 - 1845 ) : Nanjaka tao Vohitsaombe . Andriamanafotsarivo : Nanjaka tao Antambaro . Ireto Vondron’olona maromaro ireto dia nifindra tany androy ; kanefa dia nisy tamin’izy ireo no niady , ka tsy nikatsaka fandresena fotsiny fa tena naka fahefana sy fanjakana mihitsy. Teo ihany koa ireo nandositra tany amin’ny tany niaviany noho ny adidy sy ny hetra ary ny fandosirana trosa na koa noho asan-jiolahy isan-karazany ( Ny Antambaro ; Ny Renivave ; Ny Analave; Ny Antesomangy ; Ny Sahivohitra ; Ny Anjeka ; Ny Tsimanato ; Ny Mahatomitsy ; Ny Esila ; Ny Zavindravony ; Ny Amparehesa ; Ny Antemokafo ; Ny Tamboroho; Ny Ambonitaka ; Ny Antezaha ; Ny Zafindramanara ; Ny Antambandintsy ; Ny Antambaly ; Ny Maroaloka ; Ny Analavondrove ; Ny Zafitsifaly ; Ny Tsiembalala : Ny Zafindramalo ; Ny Zafindravalo ) Ny Fanjakana Mahafaly : Andriamaroserana , no mpanjakany. Tombanana tany amin’ny taon-jato faha 16 . Tany ho any izany : 1540 – 1560 . Nizarazara fanjakana maromaro tsy niray hina ny Mahafaly ; ka nahatonga ny fanjakana halemy izany Ireto avy ireo Mpanjaka tao amin’ny Fanjakan’Ilinta ; vao niamboho ny Mpanjaka Andriamaroserana. Andriamanday : ( 1560 - 1580 ) Andriamasinalina : ( 1580 - 1600 ) Andriampanolehana : ( 1600 - 1643 ) Andriamanditsakarivo : ( 1644 - 1664 ) Andriambolamena : ( 1664 - 1680 ) Andriamanisoarivo : ( 1681 - 1700 ) Andriantomponarivo : ( 1700 - 1740 ) Andriamanahaka : ( 1745 - 1765 ) Andriambeony : ( 1766 - 1796 ) Solontany : ( 1796 - 1822 ) Ebiby : ( 1822 - 1852 ) : Tao Itampolo, no namindrany ny renivohiny rehefa nanjaka izy . Lahisalama : ( 1853 - 1889 ) : Nandimy an-drainy , ary tsy nankatoa ny fifanekena tamin’ny Frantsay atao hoe : “ Vicomte de Fleuriot ” ny volana Aogositra 1859 , izy. Tsiveranga ; ( 1890 - 1924 ) : Efa nihavery ny fanjakan’Ilinta tamin’ny androny ary niha osa tanteraka izany. Ny fanjakan’ny Menarandra : Andriamandembarivo : tany ho any amin’ny taona 1680 – 1700 Tsimanandy : ( 1700 - 1760 ) : Itrimo : ( 1760 - 1800 ) : Bahary : tombanana tany amin’ny taona 1800 – 1830 Efa nihalefy ny fanjakana tamin’io Mpanjakan’ny Menarandra io ; ary loza nitatao ho azy ny nanekeny ny hanorenan’ny Frantsay Toby tao Ampanihy . Ireto kosa ireo vondron’olona nanana ny sata manokana , izay nananany , fa tsy mba niraisany tamin’ny Foko Mahafaly , kanefa tsy nanangana fanjakana ho azy : ( Ny Teafo ; Ny Renitany ; Ny Soanavela ; Ny Folohazomanga ; Ny Valohazomanga . ) Ny Fanjakana tao Oninalahy : Herontany : ( 1810 - 1850 ) : Tao Manera sy Beony , ny renivohim-panjakany Refiafy : ( 1851 - 1889 ) : Nandimby azy io zanany io ary nanitatra ny fanjakana Lahitafika : ( 1889 - 1890 ) : Izy dia rahalahiny Refiafy izay nampanjakaina handimby azy . Refotaka : ( 1990 - 1922 ) : zanany no nandimby azy , rehefa nisy namono Lahitafika , Mpanjaka rainy ary niara nihevi-draharaha taminy Idama zandriny raha ny marina niara nitondra taminy mihitsy Ny Fanjakana tao Sakatovo : Andriamanindriarivo : ( 1645 – 1689 ) : Mpanjakan’ny Manondroarivo , izy izay fanjakana kely indrindra tany Mahafaly Andriampangorohoroarivo : ( 1689 - 1776 ) Andriamanalinarivo : ( 1776 - 1812 ) Ny Fanjakana ny Fiherenana : Nisy Foko maromaro ihany koa niara nanjaka tamin’io Fanjakana tany Fiherenana io. Izy dia mitondra ny anaran’ilay reniranon’i Fiherenana ary midadasika ihany. Ny Vondron’olona atao hoe : Andrevola , no maro tao sy nahery indrindra , izy no azo lazaina nanambatra ireo vondron’olona marobe ireo ho iray Ny Fanjakana Masikoro : Ratsiongarike : ( 1435 - 1405 ) Ramisalahihabobo : ( 1514 - 1526 ) Bararatavokoke : ( 1540 - 1570 ) Andriamanampotany : ( 1570 - 1610 ) Andriamanozonarivo : ( 1610 - 1630 ) : Izy no nadimby an-drainy tamin’ny fanjakana Masikoro. Tany Isalo izy no nanjaka. Varindry , no anaram-panjaka nentiny tamin’izany. Andriandrandava : ( 1620 - 1660 ) : Zanaky Varindry izy ary nanorim-ponenana tany amoron-tsiraky Saint Augustin. Niady matetika tamin’ny Maroseranana izy ary maherihery fihetsika. Tsy nanjaka akory izy fa nomena tany holovan’ny taranany.[29] Andriamanaly : ( 1630 - 1640 ) : Izy no nadimby an’i Varindry rainy tamin’ny fanjakana Masikoro nentiny . Zoma Fiakara : ( 1640 - 1680 ) : Nandimby ny rainy izy ary azo heverina fa tena natanjaka tokoa satria nifehy ireo fanjakana nanamorona ny ranomasina atsimo manontolo mihitsy . Andriamahanana : (1680 - 1729 ) : Izy no nadimby an-drainy ary azo lazaina fa tatra antitra vao maty . Jinobo : ( 1729 - 1789 ) : Rahalahin‘ Andriamahanana , ary zandriny rahateo no nofidin’ny vahoaka Masikoro hanjaka handimby azy teo amin’ny Fitondrana. Mpanjaka nanam-panahy izy .Namangy azy ilay Kapitenin-tsambo Hollandey atao hoe : Schwellengrebel , ny taona 1741 , voalaza , fa 60 taona izy no maty. Tsitakatrandro : ( 1789 - 1790 ) : Manjaka nasiaka ary novon’ny olona noho ny hasiahany . Ravolisy : ( 1790 - 1800 ) : Anabavin’i Tsitakatrandro no nitsangana ho Mpanjaka vonjy maika noho ny mbola maha kely ny mpandimby azy. Tao Ankoranga , izay Toliara ankehitriny ny fanjakany Navony : ( 1800 - 1820 ) : Izy no nandimby ny rainy Tsitakatrandro. Nanjaka 20 taona izy dia maty . Mitraha : ( 1800 - 1833 ) : Nandimby an-drainy teo amin’ny fitantanana ny Fanjakana izy . Marentoetsy : ( 1833 - 1849 ) : Izy no namono ny mpanjaka , izay zokiny irai-tampo aminy ka nitsangana hitondra ny fanjakana . Lahimezara : ( 1849 - 1880 ) : Nanjaka tao Toliary Tompoemanana : ( 1880 - 1899 ) : Nandimby an-drainy tao Toliary izy Ireto Foko na vondron’olona ireto kosa dia tsy mba nanana ny mpanjaka nitondra azy fa dia niankina tamin’ny fanjakana najoron’ny Masikoro fotsiny : ( Ny Voroneoko ; Mikea ; Ny Vezo indray ; na dia nisy mpanjaka aza ; dia takona noho ny Vondron’olona Andrevola nanana , mpanjaka nahery sy natanjaka Ny Fanjakana Bara : Ny Bara dia tsy fanjakana nifandovana na dia nisy ihany aza ny sasan-tsasany fa ny maro dia niankina tamin’ireo vondron’olona isam-pianakaviana ka izay natanjaka no nanjaka. Rakanjobe : ( 1610 - 1620 ) : Ny taon-jato faha 17 , tany ho any dia vaky sambo izy mianakavikely ka niantsona teto amin’ny Nosy ka tafalatsaka taty am-povoany , teo anelanelan’ Ihosy sy Ranotsara. Vahiny avy any La Réunion. Ravatoverere : ( 1621 - 1630 ) : Vehivavy vahiny fotsy fihodirana ny vadiny ; ary izy no Bara nampanaiky an’ireo vondron’olona manodidina ny Bara sy nandamina rafi-pitondram-panjakana na ny tetiaram-panjakana . Rabararatavokoky : ( 1630 - 1640 ) : Nandimby azy ity zanany ity ary hatrany Inongy ny fitaran’ny fanjakany raha nanomboka teo reniranon’i Mandraré . Rafiarara : ( 1640 - 1650 ) : Nandimby an-drainy tao Inongy . Andriamanely : ( 1650 - 1665 ) : Mpanjaka nalaza tao Ranontsara nandritra ny taon-jato faha 17 . Andriamanafotsarivo : ( 1665 - 1672 ) : Nanjaka nandimby an-drainy izy , izay tao Ranontsara ihany . Ramitongoa : ( 1672 - 1680 ) : Nandimby ny rainy tamin’ny fanjakana . Rakitroka : ( 1680 - 1690 ) : Izy , dia rahalahiny Ramitotongoa hoy ny sasany Ramitongoa hoy ny hafa . Fa noho Ramitongoa ity , ratsy toetra dia nampanjakaina Rakitroka. Niteraka dimy izy ary nanangana ny Fanjakana dimy ihany koa dia ny : Bara be, Ny Bara Iantsatsa, Ny Bara Imamono, Ny Bara Manandàna, Ny Bara Mananantanana. Tamin’ny fotoan’androny no nizarazara ny fanjakana Bara Tonanahary : ( 1690 - 1620 ) : Zanaky Rakitroka, namorona ny Fanjakan’ny Bara Be izy , ary tena nahery Setra tokoa ka niady matetika izy mirahalahy avy Retsila : ( 1620 - 1630 ) : Nandimby an-drainy tao Ranohira ary izy no nanjaka tao . Inapaka : ( 1630 - 1634 ) : Izy no nandimby any Retsila rainy Remieba : ( 1634 - 1640 ) : Rahalahiny Retsila izy no nanjaka nandimby an’ Inapaka tamin’ny Bara Be . Ratsimivily : ( 1640 - 1650 ) : Zanaky Rakitrotra izy ary namorona ny fanjakan’ny Bara Imamono . Rehandry : ( 1650 - 1770 ): Nandimby an-drainy . Lehimanjaka : ( 1770 - 1780 ) Mpanjaka tao amin’ny Bara Imamono Impoinimerina : ( 1780 - 1890 ) : Zanak’i Lehimanjaka izy no nandimby an-drainy . Ratsimamotoa : ( 1800 - 1897 ) : Mpanjaka ny Bara Iantsatsa izy , izay nanjaka tao Ivohibe . Imasoandro : ( 1897 - 1920 ) : Izy no nandimby an-drainy Tsimanompo : ( 1920 -1937 ) : Mandova sy namindrana ny fahefa tao Ivobe Rainibahy : ( 1937 - 1949 ) : Mpanjaka farany tao ao amin’ny Bara Iantsatsa Nisy ihany ireo filoha Bara sasany fa ny nalaza dia : Ralo : Izy dia zanaky Rainimainty ; Filohan’ny Baran’ Iakora Ny Fanjakana Tanala : Ny tao Ambohimanga atsimo : Ny taon-jato faha 17 Rabiby : ( 1768 - 1787 ) nitondra ny Fanjakana Zafimaniry Raonitsindriarivo : ( 1764 - 1787 ) ny Fanjakan’ny Zafidimanana Rabeso : ( 1768 - 1784 ) ny Fanjakan’ny Vatovandana Andriamananarivo : ( 1784 - 1800 ) . Rainilaivola : ( 1800 - 1824 ) Ralaimangivy : ( 1824 - 1829 ) Revanarivo : ( 1880 - 1896 ) Ny Fanjakana tao Ikongo : Andriamatehatany : ( 1835 - 1854 ) Andriamamohotra : ( 1854 - 1869 ) Tao Ikongo no nanjakany, niady tamin’ny Antaimorona . Ratsiandraofana : ( 1869 - 1899 ) Nalaza tokoa noho ny tanjany ary nampiaky ny Tafika nalefan’ny Mpanjaka taty Imerina hampanjaka tokana azy ireo manerana ny Firenena Malagasy . Ny Fanjakan’ny Tanala nizarazara : Raboba : ( 1878 - 1912 ) izy dia rahalahin’ny mpanjaka Ratsiandraofana fa nanjaka tany amin’ny Tanala Avaratra . Andriamalazaina : ( 1870 - 1885 ) nanjaka tao Atsinanana . Ralainony : ( 1867 - 1889 ) nanjaka tao amoron’i Manambondro . Ny Fanjakana Antaisaka : Andriamarolo : ( 1740 - 1757 ) Andriamandresiarivo : ( 1787 - 1790 ) Andriamarohala : ( 1790 - 1810 ) Razoma : ( 1847 - 1849 ) rahalahan-drainy ny mpanjaka Rabedoko , izay nikomy taminy ka naka ny fanjakana ho azy . Raloba : ( 1849 - 1859 ) dia zanaky ny mpanjaka Rabedoko ary namerina ny fanjakan’ny rainy ho eo an-tanany indray . Firaoky : ( 1859 - 1876 ) zanaky ny mpanjaka Raloba no nandimby ny fanjakana Tsimilaza : ( 1876 - 1885 ) izy dia rahalahin’ny mpanjaka Firaoky izay nandimby azy . Samy nanana ny fanjakany kosa ireto rahalahiny ireto : Iavisoa . Fango ary Lehia . Ny Fanjakan’i Vakinankaratra : Andrianominamanjakatany , ny taon-jato faha 17, no hany fantatra sy nalaza tao , ary izay ihany no fantatra momba azy aloha hatreto , saingy azo inoana fa manan-karena tantara izy . Ny Fanjakana Antaimoro : Ramakararo : ( 1400 - 1456 ) taranaka mpanjaka tany Arabia . Ralivoaziry : ( 1456 - 1478 ) zanany no nanjaka tao , sady Solotana Arabia Ramosamary : ( 1478 - 1490 ) zanany no nanjaka nandimby azy, fa ireto mpanjaka nifandimby ireto kosa dia azo lazaina fa tsy nifandovana noho ny antony maro samy hafa niseho tamin’izany. Ramaronjato : ( 1630 - 1650 ) Ramarofatana : ( 1670 - 1695 ) Ramanirakarivo : ( 1695 - 1720 ) Randriamanafolanitra : ( 1720 - 1730 ) Randriamarilanto : ( 1730 - 1754 ) Andriampanohonarivo : ( 1754 - 1768 ) Andriambinarivo : ( 1789 - 1800 ) Ravonjanahary : ( 1800 - 1810 ) Ramanontoloarivo : ( 1810 - 1817 ) Ramahavaliarivo : ( 1817 - 1849 ) Ratodiarivo : ( 1849 - 1860 ) Andriambolamena : ( 1862 - 1870 ) Ravelonarivo : ( 1870 - 1872 ) Ramahasitrakarivo : ( 1872 - 1927 ) Sorabe Antaimoro Ny Fanjakana Antakarana : Iny an-tendron’ny morotsiraky ny Nosy mianavaratra sy miankandrefana ary miatsinanana . Kozobe : ( 1609 - 1639 ) , tao Kozobe . Antafondro no renivohi-panjakany ary milevina ao Antenaniomby Nosy Komba . Andriamaitso : ( 1639 - 1689 ) io zanany io no nanjaka nandimby azy Andriamanampelo : ( 1689 - 1720 ) Novonoin’Andriantahora , ary notapahiny ny lohany. Andriantsirotso : ( 1720 - 1760 ) Nanjaka tao Ambatoharanana fa nitoetra tao Ambilobe . Laboeny : ( 1760 - 1802 ) no nandimby an-drainy tamin’ny fanjakana Tembola : ( 1802 - 1818 ) Niady matetika tamin’ny Sakalava boina izy ary nanao izany tanteraka . Boanahajy : ( 1818 - 1825 ) , Rahalahin’ny mpanjaka Tembola no nampanjakaina ho mpanjaka . Rehefa nesorina tsy hanjaka izy dia nanjaka tao amin’ny Nosy kely Malagasy iray atao hoe Nosy Faly ary nandimby azy ny zanany Tsimandroho : Ny Printsy Tsialana I : ( 1825 - 1832 ) izay zanaky Tembola kosa no nasolon’ny vahoaka an’i Boanahajy. Tsimiharo : ( 1832 - 1883 ) no nandimby an’i Tsialana I rainy , tamin’ny fanjakana . Tsialana II : ( 1883 - 1924 ) , Mpanjaka tsy nanampy ny fitondrana teto Madagasikara izay efa niezaka hanambatra ny fahefana ho tokana ka ny tany Imerina no mibaiko. Naleony nanampy ny Frantsay mpanani-bohitra . Ny Fanjakana Antanosy : Fanjakana kely nanamorona ny Taolagnaro sy ny reniranon’i Manampanihy. Tsiambany : ( 1600 - 1640 ) tao Fanjahira no renivohi-panjakana . Andriandramaka : ( 1641 - 1642 ) zanany no nandimby azy . Andrintsanjoa : ( 1642 - 1646 ) Andriampanolaha : ( 1646 - 1656 ) Andriandramosa : ( 1656 - 1761 ) Rainihasy : ( 1768 - 1779 ) , Mpanjaka farany tamin’ireo mpandova fanjakana tao Fanjahira izy , ary nizarazara ny fanjakana Antanosy avy eo . Ireo Antambolo nikomy ka nanangana fanjakana ho azy : Zafivoloandro : ( 1778 - 1785 ) Zafitaomana : ( 1785 - 1789 ) Rabefaralahy : ( 1789 - 1819 ) Razaomanery : ( 1845 - 1866 ) Maharesy : ( 1866 - 1890 ) zanany no nandimby azy . Manadodo : ( 1890 - 1920 ) zanany no nandimby azy . Ny Fanjakana Antefasy : Andriantsimirongo : ( 1600 - 1650 ) Marofela : ( 1650 - 1670 ) zanany no nandimby azy . Maseba : Mpanjaka toa tsy taranakin’ny teo aloha fa nampanjakaina : 1670 - 1680 . Randranofeno : Mpanjaka hafa nandimby fahefana ihany koa izy io na dia tsy tao anaty tetiaram-panjakana aza ( 1680 - 1699 ) Rafara : Izy dia zanakin’ny Mpanjaka Maseba izay efa taty aoriana vao nahataverina ny Fanjakana tao Farafangana ho azy tanteraka ( 1699 - 1743 ) . Iandriambo : izy dia rahalahin’ny mpanjaka Itsietry izay nantsangan’ny vehivavy ho mpnjaka ( 1769 - 1795 ) . Mamoha : ( 1795 - 1853 ) no nandimby azy Iabaninetra : izy no nandimby ny mpanjaka tao Farafangana ary nanjaka ( 1853 - 1896 ) Ny Fanjakana Zafisoro : Tsy dia fantatra loatra ireo mpanjaka nanjaka tao , fa ny taty aoriana no fantatra . Andriambolanony : no andriana tompon’ny Ony ka naharaikitra ny anarany . Andriamanaritany II : izy ilay Mpanjaka nanohitra ny Fanjanahantany ary notifirina tao Fianarantsoa ny taona 1947 . Ireto kosa mpanjaka tao Evato Mandronarivo IV : Izy dia nanjaka tao Antekaraoka . Miada Tsaramana III : Izy dia nanjaka tao Marovata . Manafetry Levelo : Nanjaka tamin’ny Zazalava . Talijerena : Nanjaka tao Zafinandroa . Tonganasy : Nanjaka tany Lohanosy . Kidifela III : Mpanjaka tao Antalampotsy . [ Ireo Mpanjaka ireo dia nanatrika ny nahazoan’ny Fanjakana Malagasy Fahaleovantena ny taona 1960 .] Nosy be : Mosque Arabo . Efa ho 800 Taona izao ; Ao Marodoka ; Maison case indien centre commercial ; maison de fantome . Ny Fanjakana Antambahoaka : Raminia : no Mpanjaka voalohany tamin’ny Faritry Mananjary iny Rabevahoaka : Rajosofo : Ravalarivo : Ity mpanjaka ity no niavian’ilay hoe Lohatrano satria ny zanany dimy lahy ireto : Ramialaza; Rafandaharana; Ratsianga; Ramasindia; Satrofeno . Ary avy amin’ireo dimy mirahalahy ireo , no nangalana ny mpanjaka handimby fanjakana teo amin’ny Antambahoaka . Nizarazara teto ny fanjakana *Ho an’i Mananjary ilay Avaratra dia : Ireto Mpanjaka ireto no nifandimby nitantana sy nitondra azy : Ramialaza. Rafandaharana . Ratsitambaina . Ramanintolo :. Ratsitambaina. Ramanintolo . Mahery . Tsimihamby . Tsifidianana . Belano . Iabanitsiombana . Iabanivaiavy . *Ho an’i Mananjary ilany Atsimo kosa dia : Rasatrokarivo , ( Tsy hay na ny Andriana Satrofeno ihany izy io na tsia ) Ratsianga. Ramasindia . Satrokefa . Andriamasinony . Iondroho . Tsimivalo . Iabaniandro . Iabaniramaina . Ny Fanjakana Bezanozano : Tsy mba mpanjaka no nitondra tany Bezanozano ; fa Mpifehy talohan’ny taon-jato faha 18 tany ho any ireto voatanisa ireto : Randriamalazabe : ( 1710 - 1730 ) , noheverina ho tamin’io taona io ny fanapahany tany Bezanozano . Ranantsana : ( 1730 - 1750 ) , zanany kosa no nandimby azy Randrianjomoina : Mbola novinavinaina ho ny taona : ( 1750 - 1780 ) teo ho eo ihany koa ny naha mpifehy azy . Izy dia ankevitrin’ny zaza notezan’Andriambelomasina ; mpanjaka tao Ambohimanga , izay nametraka azy ho mpifehy tany amin’ny Bezanozano ,amin’ilany avaratra andrefana iny izy . Andriamamahatra : ( 1780 - 1800 ) Andriamamahatra II : ( 1830 - 1845 ) Rainimindrana : ( 1860 - 1880 ) *Ireo notendren’ny Frantsay ho Gouvernora madinika kosa : Razafimbelo : ( 1896 - 1900 ) Ratsirahonana sy Randriatsiresy ; kosa dia tsy nety niara niasa tamin’ny Frantsay , fa lasa nandositra ( 1945 - 1958 ) Ny Fanjakana tao Antsihanaka : Ny tany Antsihanaka ihany koa dia tsy mba Mpanjaka no nitondra tany , fa ny mpanazary , izay olon-kendry sy mpimasy ; ka natahoran’ny olona , no nitantana ny fanjakana ; ireto avy izany : Rasoavintsy ( Vehivavy Mpimasy natahorana tokoa ) ° ( 1650 tany ho any araka ny vinavina ). Fandroahana : ( 1678 - 1690 ) tao Mahakary. Tsija : ( 1690 - 1708 ) tao Mahakary. Salovambolo : ( 1708 - 1757 ) tao Mahakary .[30] [ Mahakary , izay tanàna iray feno mpivahiny avy aty Imerina , izay efa mihoatra ny valovotaka tany an-toerana , talohan’ny taon-jato faha 17 . Izany ho nanodidina ny taona 1600 , tany ho any no niheverana fa nibosesika sy nandrato tany ny ambaniandro , mba hivelomany sy nandosirany ny ady an-trano teo Imerina , Nandritra ny fanjakan’Andrianjaka : Ny taona , izay noheverina ho nanodidina ny : ( 1610 - 1630 ) tany ho any , ary ny Nanjakan’Andriantsitakatrandriana ny taona ( 1630 - 1660 ) .] Andriamampanjaka : tao Anororo Ratohana : tao Anosy Randrianombelaza : Rabehaza : tao Manakambahiny Folavolo : tao Ambohidehilahy Rabelaza : tao Vohilava . Ny Fanjakana Tsimihety : Tsy mba nisy mpanjaka tao, fa Mpanazary no napetraka tao hifehy ireo isam-pianakaviana.[31] Ramarosahiny : ( 1809 - 1830 ) Inkasina : ( 1870 - 1890 ) tao Manangibato Mahalaza : ( 1890 - 1900 ) tao Manangibato Laigara : ( 1900 - 1940 ) tao Manangibato Fananimena : ( 1870 ) tao Ambatonisokitra Itomporenimanana : ( 1876 ) tao Mahalaina Tsiakoza : ( 1893 ) tao Ankaonena na Port Bergé Tsiziva : ( 1900 ) tao Ambohimalaza Fionona : ( 1889 ) tao Anabolo Iadanitsimiady : ( 1896 - 1910 ) sojabe tao Mandritsara *Ireo natao Gouvernora Frantsay tao Antsohihy Rakotovoalavo : ( 1896 - 1930 ) tao Mandritsara Toerana iray manan-tantara , any amin’ny faritra Antanosy ity jerenao ity . Ny iray dia ny Manda naorin’i Flacourt sy manda efa rava . Izy no Andriatsoly “ sultan ” farany Izao no tena Fitafy Malagasy 1.7.2 Ireo Fanjakana lehibe nisaratsaraka : Ny Fanjakana Sakalava : Ny Maroserana dia fianakaviana iray, nitondra nisandrahaka teto amin’ny Firenena ; indrindra teo amin’ireto vondron’olona ireto : Antanosy ; Antaisaka ; Mahafaly ; Masikoro ; Antandroy ; Vezo ; Betsileo ; Merina ; Tsimihety ; Antakarana ; Betsimisaraka ; Bara : izay nanjaka teto amin’ny firenena ny Taranaky Andrianalimbe sy Ravoamena : Vinavinaina ho tamin’ny taonjato faha 14 , tany ho any izany fanjakana izany . ( 1370 - 1430 ) izay niteraka an’i Bararativokoko sy Ravoafotsy ary i Andriantsionda ( Tsiately ) i ( Velahy ) . Andriambarindry Andriamandazoala , niteraka an’i Andriamandresy ( Rohiala ) sy Andriamisara ( Tsiarato ) izay nanjanaka an’i Andriandahifotsy rain’i Andriamandisoarivo sy Andriamanetriarivo Tany Menabe. Andriamandazoala , nandimby azy kosa nanafika sy nanitatra ny fanjakany hatrany Mahafaly. Nizara roa ny Fanjakana dia : *Ny Fanjakana tao Menabe, izay tany avaratra, mianatsimo. Andriandahifotsy : Tombanana ho nanjaka ny taon-jato faha 17 : 1650 - 1670 Andriamandisoarivo ( Tsimanato ) : 1670 - 1690 , efa nahay teny Anglisy; Arabo ; Afrikana . Mpivarotra sy Diplomaty ary mpiady gaigilahy, ka nampiaky ny Arabo sy ny Kisilamo izay nampiasa ny andevo vahiny nentiny. Karanimalandy , no mpitari-tafika nalaza, niaraka tamin’Ingahy Burgess Ibory , izay naha very anarana ilay Amerikana mpila ravin’ahitra avy any New York, hampandresy azy ny Sandragoatsy, Tingoa, Manadabo, Antalaotra izay teo talohan’izy ireo. ( Nifandray tamin’ny Foko hafa, tamin’ny alalalan’ny varotra sy ny fanambadiana, Ady ary Fifandra-monina ) Andriamanetriarivo : 1750 - 1807 Ramitraho : ( 1807-1834 ) nanjaka 27 taona, niady tamin-dRadama I, ka namitram-pihavanana noho ny fihetsikin’ny zanany vavy iray atao hoe: Rasalimo , nanaiky ho vadin-dRadama I, ka niterahany an-dRabobalahy sy i ketaka . *Ny Fanjakana tao Boina, atsimo mianavaratra ka : Ravahiny : no mpanjakavavy tao aminy, nanjaka 38 taona ( 1770 - 1808 ) Tsimaloma ( 1670- 1690 ) nanjaka 20 taona, izay niova ho Andriamandisoarivo . Misy milaza azy ho Tsimanato . Andriantsoly : ( 1690-1704 ) nanjaka 14 taona. [ Ity Fitantarana ity indray dia loharano hafa mihitsy….] Nizarazara ny Fanjakana Sakalava tahaka ny Fanjakana nitsitokotoko teto amin’ity Nosy ity . Ny Tao Menabe : Izay manamorona ny ranomasina ; ka tafiditra aty am-povoan’ny faritan’ny Betsileo sy ny Bara ary ny sasany amin’ny faritr’ Imerina Andriamandazoala : ( 1540 - 1560 ) Nanorina ny Fanjakany tao Tsiaropike vao tao Bengy . Milevina ao Ankazomanga izy. Andriamandresy : ( 1560 - 1610 ) zanany no nandimby an-drainy raha vao niamboho ny mpanjaka . Nanjaka tao Bengy izy ary milevina ao . Andriandahifotsy : ( 1610 - 1670 ) izy no mpandimby ny mpanjaka niamboho ; ary rehefa maty izy dia natao hoe Andrianihaninarivo, Nanjaka tao Mahabo izy , sady renivohitry ny fanjakany . Ao Maneva kosa izy no milevina . Ratsimanongarivo : ( 1683 - 1728 ) Nanjaka tao Mahabo izy , ary milevina ao Maneva. Misy manondro io Mpanjaka io nanjaka 88 Taona , kanefa tsy mitombina izany , raha toa ka tombanantsika ho tamin’ny taona : ( 1630 - 1718 ) aza . Andriandrainarivo : ( 1718 - 1727 ) izy no nandimby an-drainy , na dia mpanjaka Kilemaina aza izy , dia nahafehy ny fanjakany ihany sady tsara fitondrana ny vahoaka ka mamy hoditra aoka izany, maro ireo Vahiny nifanerasera taminy toa an-dry Cook , Valentyn ; sy ny sisa. Namindra ny renivohim-panjakany tao Sahadia . Milevina ao Maneva izy. Ramiteny : ( 1727 - 1743 ) zanany no nanjaka nandimby an-drainy tao Sahadia , kanefa noho ny disadisa teo amin’izy mirahalahy , tsy nanaiky hanoa ny mpanjaka vao nandray fahefana ; dia niodina taminy Ratoakafo rahalahiny , ka namono azy ho faty. Niara maty moa izy sy ny zanany ka dia tsy nampidirina am-pasan-drazana fa nasitrika tany Ilaza . Ratrimolahy II : ( 1743 - 1750 ) no nanjaka avy eo ka Maneva , no renivohitry ny fanjakana ary nilevina ao Ilaza . Andriantsihoenarivo : ( 1750 - 1807 ) Nanjaka nandimby an-drainy tao Menabe saingy namindra ny renivohi-panjakana ho any Mahabo indray , saingy milevina ao Ilaza . Ramitraho : ( 1807 - 1834 ) izy no nandova fanjakana ary niteraka any Rasalimo izay lasa vadim-panjakana taty Imerina satria Radama I no nampakatra azy ho vady . Mahabo no renivohi-panjakana ary nilevina ao Ilaza ihany koa. Renasa : ( 1834 ) Azo lazaina fa nanjaka tapany satria rehefa niodina tamin’ny fanjakana taty Imerina izy , dia natao Babo ka tsy tafaverina tany Mahabo intsony , noho izany . Andrianilaenarivo : ( 1834 - 1837 ) Rahalahin-dRamitraho izy ; ary nitantana ny fanjakan’i Menabe tao Mahabo ary nanohitra ny tafika Ambaniandro hatramin’ny farany , saingy tsy hay ny niafarany . Andriatahonanarivo : ( 1837 - 1852 ) nandimby an-drainy ary nanohy ny fanoherana izay efa natombok’ireo razamben’ny Sakalava . Naharova : ( 1852 - 1869 ) Izy indray no mpanjaka vaovao tao Menabe . Mbola Mahabo ihany no renivohi-panjakana ary ao Mahabo ihany izy no milevina. Toera : ( 1869 - 1897 ) Mpanjaka nandimby fahefana , tsy niteraka ka nanangana an’i Kamamy ho zanany . Sady nanohitra ny Frantsay mpanani-bohitra no niady tamin’ny Merina nitady hanitatra fanjakana. Ingereza : ( 1897 - 1904 ) Mpandova fanjakana tao Menabe ary nanohy fanoherana tamin’ny Frantsay. Nanova ny renivohi-panjakany tao Imbiky ; fa tsy Mahabo na Maneva intsony. Kamamy : ( 1904 – 1910 ) Izy ilay zaza nantsangan’ny mpanjaka Toera ka nantsangan’ny vahoaka Sakalava ho mpanjakany raha vao nilavo levona tamin’ny mpanani-bohitra frantsay ny Mpanjaka Ingereza . Ireto kosa ireo natsangana ho Governora Frantsay tany an-tsakalava: Ny Printsy Ingereza Ny Printsy vavy Resinaotse Ny Printsy Fianjanoa *Ny Fanjakana tao Boina : Ity kosa dia Fanjakana midadasika hatreo Ranobe any avaratra ka hatrany Sambirano ny atsimo. Saingy fanjakana nisaratsaraka , ka mora tamin’ireo fahavalony no nampandresy azy tsy sazoka . *Boina Fanjakana iray : Andriamandisoarivo : ( 1670 - 1690 ) Nonina , tao Trongay ary azo heverina fa tao no nanorenany ny Fanjakana Boina. Andrianamboninarivo : ( 1690 - 1730 ) Nisafidy an’ny Befito , honenana ary nilevina ao Trongay . *Boina nivaky roa : Eto dia malasa saina ihany raha Mahabo iray ihany ilay any Menabe sy teto Boina ( Fanamarihana : Boina amin’izao mantsy dia izay mamaritra ny Faritra Boina ankehitriny na Mahajanga hoy isika . Ary Menabe ihany koa dia sahala amin’izany dia Miandrivazo mianatsimo no Mianavaratra andrefana iny ) *Boina Andrefana : Andriamahatindrindriarivo : ( 1730 - 1740 ) Nanorina ny Fanjakany tao Mahabo ary nilevina ao ihany koa. Andriamaninarivo : Vehivavy izy io , ary nanjaka tapany ary milevina ao Mahabo . *Boina Atsinanana : Andrianahilitrarivo : ( 1737 - 1768 ) Nipetraka tao Betioka ary azo heverina fa tao ny renivohi-panjakany . Maty tany an-tsesitany izy io sy ny zanany iray atao hoe : Andriamarolafy . *Boina tafaray ho Fanjakana tokana indray : Andrianevanarivo : ( 1768 - 1770 ) Andriamanarakarivo : ( 1770 - 1790 ) Andriamandahatrarivo : ( 1790 - 1820 ) Andriamaninarivo : Mpanjakavavy nanjaka tokony tamin’ny taona 1820 Tambola : Mpanjakavavy nandimby ny Fanjakana ary nanjaka izy nandritra ny taona ( 1820 - 1827 ) *Boina Niparitaka nivaky fanjakana maro : Ny Fanjakan’i Bemazava : Ny Mpanjakan’ny Nosy Faly dia i Maka , no nanjaka tao ny taona ( 1827 - 1862 ) . Izy dia nodimbiasan’ny zanany iray atao hoe : Tsiresy I : ( 1863 - 1880 ) . Nandimby azy tao Ankify ny Mpanjaka Monja : ( 1880 - 1884 ) . Nandimby azy ny Mpanjaka Tsiaraso : ( 1884 - 1890 ) . Nandimby azy ny Mpanjaka Tsiresy II : ( 1890 - 1920 ) . Ny Fanjakan’i Bemihisatra : Somary nizarazara ity fanjakana iray ity ; ary tsy tafatambatra intsony Ny Fanjakana Betsimisaraka : Ratsimilaho na Ramaromanompo ( 1712 - 1754 ) ; izay nanjaka 42 taona, no azo heverina ho natanjaka sy nahery indrindra. Zanaky Rahena Razandramisoa sy Tom Tew, Jiolahin-tsambo. Bety ; no zanak’ity Mpanjaka ity . Baban’Iavy : ( 1767 - 1791 ) Kololahin’i Zakavola : ( 1791 - 1808 ) Jean Réne : ilay nanoa ny fanjakana teto Imerina ka nanaiky ny maha iray ny Fanjakan’i Madagasikara . [ Ity koa misy fitantarana hafa ka anjarantsika ny misafidy ny ho raisina fa izany no fikarohana. ] Ny moron-dranomasina atsinanana somary miditra aty am-povoan-tany no mamaritra ny Fanjakana Betsimisaraka. Tsy afa-bela tamin’ireo vondron’olona , izay niady fanjakana teto anivon’ity Nosy ity ny Betsimisaraka , fa natsitokotokon’ny fahefana te-hanan-drery ihany koa . Ny fanamarihana fotsiny , ny nahatonga ny anaram-poko io dia Ratsimilaho no niloam-bava tamin’ny tafika nentiny hanohitra ny vondron’olona hitady fanjakana taty atsinanana fa be tsy misaraka ny olona . Izany, Ramanano izany ny taona ( 1689 - 1712 ) no nifindra tany atsinanana ka nitady sy namahatra tany rehefa nandresy ny tompon’ny tany , ka nanjaka tao Toamasina sy Fenoarivo atsinanana ary nanorina ny renivohim-panjakana tao Vohimasina . Nangidy hoditra tamin’ny vahoakany izy ka nifidy olona iray hianteherany . Na dia tsy resy aza izy dia tsy nilavo levona mihitsy fa nitsoaka foana . Ratsimilaho : ( 1712 - 1751 ) : Jiolahin-tsambo Anglisy atao hoe Tom Tew no rainy ary Rahena andriambavy tao Fenoarivo atsinanana ny reniny . Nandimby an-drainy avy hatrany i Zanahary : ( 1751 - 1767 ) ka i Mahavelona , no nataony renivohim-panjakany. Nandimby azy , Iavy zanany , ny taona : ( 1767 - 1791 ) . Nanjaka nandimby azy Zakavola , zanany ( 1791 - 1803 ) tao Mahavelona ihany no nataony renivohi-panjakany . Sasy , anankiray amin’ireo zanany naterany no nanjaka ( 1803 - 1810 ) . Ny Frantsay no nanongana an’i Sasy ; ka i Tsimiririlaza no nataony solom-panjaka ny taona ( 1810 - 1815 ) ; ary ilay voanjo Frantsay anankiray atao hoe : Sylvain Roux ; no nanana fahefana tao Mahavelona tamin’io fotoana io , mpandrato sy mpivarotra ary mpijirika izy . Avy eo nosoloina an’i Tsihala : ( 1815 - 1820 ) rahalahiny ny mpanjaka . Ireo Mpanjaka nifandimby ireo dia taranaky Ratsimilaho kanefa dia nihamalemy izany fanjakana izany . Fohiloha : ( 1820 - 1825 ) : Mpanjaka nampanjakain’ireo vondron’olona nikomy tamin’ny taranaky Ratsimilaho , ka nihataka taminy rehefa nihamalemy izany fanjakana izany , fa nialoha ity Mpanjaka ity ; dia ireto nisy Mpanjaka mbola taranaky Ratsimilaho nanjaka tany amin’ny Nosy Saint Marie dia i Betia ( 1752 - 1798 ) . Kalahaka : izay lehibe ny vondron’olona tany Ivoloina sy ivondro fa tsy nanjaka akory ny taona ( 1700 - 1750 ) . Rehefa nahavory ny Vondron’olona tao Ivondro ny Mpanjaka Fohiloha dia nanendry filoha vaovao isam-pianakaviana ary nomeny fahefana sy hitondra ny anarany ka lasa Fanjakana iray natanjaka tokoa. Tonga avy tany Faradofay indray ingahy Jean Réne ; Raha ny fahafatarako azy dia metisy lahy vezo izy io ary niatsinanana ka niady tamin’ny Mpanjaka Tsihala ary nanaiky hiaraka tamin’ny Mpanjaka Fohiloha. Jean Réne , dia nanjaka teo anelanelan’ny taona ( 1820 - 1826 ) . Izy dia nifanao fati-dra tamin-dRadama I ary natao Gouvernora tao Toamasina . Fohiloha kosa rehefa nanaiky ny Fanjakana taty Imerina dia lasa Gouvernora ny fanjakana teo anelanelan’ny Vavahay sy Ifontsy . *Ireto ihany koa nisy fanjakana madinika : Andriambangaina : ( 1810 - 1825 ) izay nifehy ny Zafimanoa . Ny Betsimisaraka Atsimo , dia maro andriana saingy ny tantara dia tsy naneho ny fiandrianan’andriana nanjaka. Rehefa nanaiky an-dRadama I ho mpanjaka tokana teto Madagasikara i Fisatra rahalahin’i Jean René , dia nikomy ny Betsimisaraka Atsimo ka nifidy ny mpanjakan’ny Frantsay , hanjaka aminy ka naharomotra ny fanjakana Foibe taty Imerina ka nahatonga ny ady . Ity ilay toeram-pamaharan’ny Tafika Malagasy Fahizay rehefa nanani-bohitra ny tafika Frantsay . Fort Manda Mahavelona [33] Sary maneho ny fifindra-monina teto Madagasikara talohan’ny 1300 TOKO II 2.1 . Ny Fanjakan’i Madagasikara . Hitohy.....tsy ho ela
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/niverina
Niverina
Rabarison Roberto Stephan
Niverina Toa niverina indray ankehitriny Ireo lasantsika niarahana taloha Dia ilay fahazazana tsy ananan-tsiny Toa mitamberina ato an-doha Noraisiko ny peniko. Dia anoratra indray Ho ranketiko antsoratra ireo lasa hatrizay Tena namana tsy foina raha ianao Ka eny tsaroko foana na hatramin'izao Nitohy ny finamanana... Dia nandrary mafy ilay fihavanana Dia niroso koa anefa ny dia Dia niverina ny taloha fon'isika vao nifankatia Nosoparan'ny elanelana anefa izany K'inandro ankehitriny dia niverina ihany Dia nitohy indray ny tantara taloha Nifoha ilay fitia efa saika hatory tsy hifoha Dia hiraka amakivaky lalam-baovao Ka fianana hafa indray no hiainana izao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/nofy-mamy
Nofy mamy
Rabarison Roberto Stephan
Nofy mamy Tantara tena mamy Toy ny nosorana tantely Tena lavitrin'ny jaly Fa toa feno anjely Toa niaina sambatra Adinoko avokoa ireo sento Izany no tena hoe tonga lafatra Sy manitra manetoento Toy ny tany am-paradisa Fa tsy niaina teto an-tany Lavitrin'ny fampandrina hajisa Sy ireo sento sy ny jaly Toa tontolo feno fitiavana Sy tena mampifalifaly Izaho tena saika tamana Kay ilay izy nofy ihany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-kivy
AZA KIVY
Fredy Jaofera
AZA KIVY Aza kivy na malaina raha manadala ny esoeso ombieny ; ireo tsy manan-tsaina no mankahala amin'ny ankapobeny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/itokianagasy/mafy-tena-mafy
Mafy tena mafy
ItokianaGasy
Mafy tena mafy Izany te ho tafita Ka dia tsy maintsy miafy Raha tsy izany tsy hahavita! Mafy tena mafy Ny mitady ilay maraina Mahatoro izato saina Mahavelona taraina! Mafy tena mafy Ny mitady fahombiazana Eny mbola tena mazana Ny hitady izay tsy tazana! Mafy tena mafy Ny miezaka tsy ho lavo Fa mikatsaka eny foana Izay tiana mba ho azo! Mafy tena mafy Fa tsy asiana hakivina Fa na eny tena mafy Dia tratraro izay irina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/namana
NAMANA
IALY NOFY
NAMANA Ny namana amiko Mifampilaza ny mavesatra . Mifampihinana ny manta sy ny masaka ; Ary mifanome toro-hevitra . Namana ve! Raha tantaraina dia soa tokoa Mampahery raha misy ny manjoa; Fifankatiavana maharitra No nitondrana ny fiainana . Namana ve! Tsy mba manary... Na ny mora na ny mafy Hasambarana hatrany Raha misy namana ety an-tany . Namana ve ! Na ao anaty ady Isika mbola mitambatra Na eo ireo mpanasaraka ; Isika tsy maintsy misaraka . " Sambatra aho manana anao ho namako"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ho-malagasy-mendrika
HO MALAGASY MENDRIKA
AORN
Raha nisy nigagàna ho mpiaro fahendrena tsy misy tasitasy Dia isany amy zany, ka nampiaky volana ny Ntaolo Malagasy Tantara nodimbiasana, miampy lova miafina no nampiasàny loha Voasahana am’zany reo riba sy ny fomba amam-panao taloha Fa tamy Ntaolo mantsy, naleony very vola, na ringana sy foana F’ilay fihavanam-bato no tena nolalainy, tsy ravan’ny fotoana Na fotsy ianao na zara, tsy nisy niavakavaka fa tokana ny lasy Ny rà zay nikoriana, no fefy nampiray ny samy Malagasy Ankehitriny kosa, moa loza sy atambo no ataon’ireto zanaka? Ny Hasina sy ny haja fanolotra ny zoky no lavin’ny taranaka Ny mari-panajàna tsy misy iray niverina, fa very sy voatsipaka Fa aminy ny ambony, dia vola aman-karena, fa reny tsy mamitaka Fa na ‘lay Sata aza, lay maha-malagasy, tsy fantany… tsy hainy Raha ny an’ny hafa kosa, na tsy manahaka azy, kantoiny sy hajainy Ny hiram-pirenana, ny vakoka mampiavaka, tsy manan-danja intsony Fa voa hatrany anaty, fa ny hafa firenena, lolohavina ambony Anjaranao no sisa, raha Mbola gasy ihany, no hanarina ny rava Mijoro tsy mihamba, mamerina indray, ny an-tsoratra sy am-bava I Madagasikara, zay miavaka amy maro, dia aza avela ho rendrika Fa fahendrena lalina, lovaina sy ampitaina ny “ho Malagasy mendrika”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fasana
FASANA
AORN
Fasana voarafitra simenitra sy vato Toera-mitahiry taolam-balo ho vovon-tany Ao no iafarana rehefa tapitra sy miato Lay vatana sy nofo nolalaina sesilany Zovy no tsy setry rehefa mbola velon’aina Tsy mahatsiaro akory fa mandalo ety ihany Dia manao zay tiany, mampamelona taraina Ny manodidina azy, ‘zay heveriny ho ambany Fa ny fo sy saina, Mbola fasana ihany koa Raha miotrika ao ny haratsiana manontolo Mitahiry fotaka sy atsanga maro loha Raha tsy mahay mamela dia ho fefika mololo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mila-miana-desona
MILA MIANA-DESONA
AORN
Raha tiana hopotehina ny firenena iray sy olona ao aminy Io fampianarana io no ataony farahidiny sy farany ambaniny Tsy misy hirarahiany ny ho avin’ny taranaka voataiza tsy sahala Satria ilay fanabeazana, raha oharina amin’ny hafa, no atao an-jorombala Ireo zay mpanabe, misehatra amy zany, dia zara raha mahazo Zay tambiny karama, Nandrasana amam-bolana k’indreo mihazohazo Misy koa ireo hafa, tsy avela mba hisitraka ho mpiasam-panjakana Fa rehefa tsy mahazaka, mahazo miova hevitra, raha toa ka tsy tamana Ny sehatra ianarana, ny trano fanabeazana, tsy misy rindran-damina Ny dabilio toa potika, solaitra be miepaka, manjepy mahafanina Sekoly maromaro, zay tsy mitafo intsony, fa lanitra no hita Kanefa hoe “Tanora hiatrika ny ho avy”, toa zara raha tafita Raha atao indray mitopy, ny anaty fandaharana, dia hita miharihary Fa efa an-taona maro, tsy nisy fanavaozana fa toa tsy zarizary Ny vola izay natokana, voafaritra mialoha, tsy hita izay mba lalany Tsy hitanao mivaingana, fa any an-kafa angamba, manefa zany sarany Ka r’efa ny fianarana no atao ambanin-javatra tsy hamakiana loha Dia aza gaga akory, raha toa ka tsy mandroso, fa mihemotra avokoa Dia mora ambakaina, reo olona ao anatiny, vokisana dia miesona Satria tsy tafapàka an-tsaina intsony koa, fa mila miana-desona
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mifono-ankamantatra
MIFONO ANKAMANTATRA
AORN
Fony nifanojo ny mason-tsika roa Dia hitako avy hatrany lay tempon’ny fitia Nipololotra anaty Ianao nitsiky kely, izaho moa sakodiavatra Ny fo nidobodoboka, toa mitady hanempotra ka mila tsy ho tanty Fa fotoana fohy, dia tsapako avy hatrany Fa babonao ny foko, toa resy tsy nitolona dia roboka tsy tana Ianao koa rahateo, toa nisamboaravoara Ka saika tsy nahita ny lalana nodiavina Fa tojo hafanana Fa tsaroako foana, iny toerana iny Ka satriko andalovana seranana matetika Fo roa no nifandray Kanefa Mbola miafina mifono ankamantatra Ny ampitso izay andrasako, tsy mampitombona ahy Ahita anao indray
https://vetso.serasera.org/tononkalo/itokianagasy/tolona-irery
Tolona irery
ItokianaGasy
Inty aho irery Aty an-tanin'olona Hikatsaka ny hoavy! Tsy misy ny mijery Na miaraka mitolona Fa lavitry ny niavy! Hitady ilay maraina Maraina vaovao Izay mbola tsy niposaka! Anefa tsy hitaraina Na koa hoe hitalao Ranomaso tsy harotsaka! Mahaiza re mitady Hoy ilay mpandinika iray Aza manaiky ho resy! Satria: "Tolona sy ady Anie ny fiainana Ka zara ho an'izay Manam-pinihavana handresy"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/matimaty-foana
MATIMATY FOANA
AORN
Matimaty foana ireo nitari-tolona Niady ho an’ny taniny Fa ny mahonena, lay Malagasy mihitsy No lasa baranahany Nitolona aman’aina, ireo nafana fo Ny fito amby efa-polo Tsy namela mihitsy, ireo mpanjanan-tany Hanjanaka bontolo Fa nankaiza loatra, lay afom-po tsy maty Nampiavaka hatrizay No ankehitriny indray, isika no mamerina Ireo efa nanafay? Dia azony ny laka…isika indray no miafy Mangataka ny atiny Satria ireo mpamadika, no efa sahy mivarotra Ny lova sy ny satany Ankehitriny manko, tsy misy tany intsony Ho an’ireo madinika Fa ny hafa firenena no eo amy familiana Ka maro no voahilika Reo Malagasy vitsy, Mahita ranondranony Tsy te hahalala intsony Fa zarany aza ianao, mitrongy vao mba homana Tsy avelany ho tony Ankilany etsy kosa, vahoaka sesehena Tsy afaka mikofoka Vao misy sahy mitsangana, samborina avy hatrany terena hiosom-bovoka Tsy mahagaga mihitsy, raha lasa farahidiny ny Malagasy an’hetsiny ‘Reo manam-pahefana manao tsindrio fa lavo Mampiasa ny hevi-petsiny Kanefa anie hiraina, sy atao ambeti-teny Lay hoe “fampandrosoana” Fa vavany ihany ireny, tsy misy izay mivaingana Ka sarotra inoana Raha Mbola ts’isy ho sahy, manohitra tsy rariny Ka tsy mataho-maty Dia Mbola eto ihany, ny omaly tsy hiova Ny antsika Malagasy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/baraingo
Baraingo????
lain's rakoto
Tsy misy na dia kely Ao andohako ao Diampenina ho anao Na dia kely vary iray venty Ho soratana ho anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hery-hafahafa
HERY HAFAHAFA
AORN
Be ny masaka ao an-tsaina Sady vonon-ko lazaina Rehefa hihaona an-kamamiana Hiaraka amin’olon-tiana Fa re(he)fa tena manoloana ‘Zato vavako toa moana Ankona tsy sahy miteny Vao banjininao ombieny Misy hery hafahafa Tsy ahafahako mitafa Zay voalahatra ao an-doha Fa hoe ambarako amy fo Zany angamba lay mitia Rehefa tena mankafy Voaloa(ha)m-pitiavana santarina Tsy ao an-tsaina, tsy azo amboarina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/namana-marina
NAMANA MARINA
Fredy Jaofera
NAMANA MARINA Tsy ny resa-barotra nisy anikeheo no tiana hitarina ; ny fotoan-tsarotra dia mampiseho ny namana marina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/ilay-fitiavana
Ilay Fitiavana
Rabarison Roberto Stephan
Hay ve ny fitiavana mahafaty Isan'andro mitia, isan'andro ianao miafy Miafy fa tena tia nefa ampahoriana 'Ty fitiavana ity kay mampitondra fahoriana Raha izaho aloha, aleoko mitia amin'ny vava Dia mitsiky foana na ilay fitia ary efa rava Fa raha mitia olona tena amin'ny fo Dia mety ho simba ianao fa lasa kitoatoa Vao mihetsika kely dia filam-baniny foana Feno hasarotam-piaro mandritra ny fotoana Ianao efa miezaka mitandrina no sady hendry Fa izy mora romotra no tia mibedibedy Hany ka lasa kivy aho isaky ny miresaka Satria mahita an'azy tezitra dia mivalaketraka Dia alahelo foana no hiainana matetika Na ny endriko ary tsisy tsiky fa toa mifetoka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitriny
MADAGASIKARA . NY LASA SY NY ANKEHITRINY
NY Andri-Fara
MADAGASIKARA . NY LASA SY NY ANKEHITRINY Fanamarihana : Ny Sary izay nampiasaina eto dia nalaina tamin’ny « Site Internet » Nisy ihany koa ny sary nalaina sy natao « photosoph ary tao amin’ny tranokala » Teny Fanolorana Teraka tao amina tanàna iray antsoina hoe : Sahamaro Andrainjato izy . Fokontany iray ao anatin’ny Fivondronam-pokontany Fianarantsoa II . Ny Rahavavin-dreniny ,vavimatoa no mitoetra sy nanorim-ponenana tany. Ny rainy dia : Ravelontsalama Andrianarivo Guy Richard ; Ravaoarisoa Marie Marine kosa no reny , izay nahitany masoandro. Betsileo avy any Ambositra ry zareo . Folo mianadahy izy ireo , no naterak’ireo ray aman-dreniny , fa saingy efa nandao ny tany kosa ny roavavy , raha vao amam-bolana vitsy monja ny iray , ary efa notezaina roa taona kosa ilay faharoa. Ankehitriny dia efatra vavy sy efatra mirahalahy izy ireo, izany hoe : Valo mianadahy izany. Ny rainy dia Mpiasam-panjaka ambony satria izy no nitana ny toeran’ny « Chef de Service à la Direction de la Valoritation des resources Humaines » . Tamin’ny taona 1993 tao Ambohijatovo ; ary efa nosaloran’ny fitondram-panjakana ny « Ordre National Malagasy sy ny Chevalier de L’Ordre National Malagasy » ihany koa. « Ingenieur Plannificateur » izy . Ny reniny indray kosa dia « Adjointe de Service Vétérinaire Stagiere » tao amin’ny Service Vétérinaire Ampandrianomby . Raha ny lafiny Finoana indray kosa dia Katolika ny reniny ary Protestanta ny rainy. Nandia fianarana ihany ny tenany saingy fanohizam-pahalalana fotsiny izany noho ny antony ara-piainana ve ! sa noho ny hetraketraky ny fiainana ihany koa ! sa …, ny hany azo ambara dia nihoitra izy ary tsy natao hifaninana amin’ireo nandranto fahaizana ambony fa izay kely mba nangoniny tao am-pony sy tao an-tsainy , no namboariny ho amboara sy tantara . Nandalo ny ambarantonga Fototra voalohany izy ny taona 1972 ka ny Garabola tao Ambohitrakely ; no nisantarany A.B.D n’ ny fampianarana ; avy eo izy ny taona 1973 dia ny EPP Ankadivato , izay nondimbiasan’ny EPP Avaradoha . Ny Fanabezana Fototra faharoa kosa dia ny College Radama I , Anjanahary sy ny I.E.P Avarandoha . Ny Ambaratonga Fahatelo kosa dia ny Lapan’ny Tovolahy Andohalo sy ny CNTEMAD , Sampana lalàna , tetsy Ankaditapaka, saingy nafoiny izany rehefa tafiditra ho Mpiomana ho Mpitandrina , tao amin’ny College Theologique Mandritsara izy ny taona 1999 . Voatery nandao izany izy , na ny marimarina kokoa , voaroaka noho tsy nahazoany ny salanisa 10 , satria 0,75 monja , no tsy nahafeno ny isa notadiavina amin’ny fianarana toy itony , tsy misy angamba ny atao hoe : « salan’isa farany ahafahana misondrotra kilasy » , Izay ny lafiny amin’iny fa ny fiainana an-davan’androny indray no ambara fohy amintsika : Efa nampianatra tao amin’ny Sekoly Fjkm Rainisinja ; Namehana ny taona 1988 . Solon-dohan-tsokajy ny Andiany Voromahery , tao amin’ny Fikambanana Scout Kiadin’i Madagasikara ary efa lohan-tsokajy ny Andiany Maingoka tao amin’io Fikambanana io ihany koa ny taona 1980 - 1989 , Filoha mpanorina ny Fikambanan’ny Tanora Mihetsiketsika Miray Santatra ny taona 1990 sy ny Fikambanan’ny tanora vonona hanondrotra an’i Madagasikara ny taona 1992 . Filoha Lefitra ny Fikambanan’ny Tanora Arema tao Andraisoro ny taona 1994 . Niasa tao amin’ny Ministeran’ny Fiompiana tao Ampandrianomby ny taona 1993 . Tsy adino fa nampianatra tao amin’ny Sekoly FJKM Rainisija ; tao Namehana ny taona 1998 . Mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana izy ny taona 1999 ary Biraon’izany Sekoly Alahady , izany nandritra ny 16 taona ( 2003 ka hatramin’izao taona 2020 izao ) . Ny taona : 2003 - 2007 : Mpihevi-draharahan’ny Sampana Sekoly tao amin’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, no nampiananatra ny Voafonja Vehivavy tao amin’ny Fonjan’Antanimora ihany koa ny tenany , tany amin’ny ny taona 2004 - 2005 . Nomena ny Sertifika rehefa nahavita ny Fiofanana . « Alphabetiser » ny taona 2004 , tao amin’ny FMBM . Mpikaroka sy mpikirakitra ny Arsivam-piangonana no fiofanana farany natrehany ny taona 2005. Nahavita ny fianarany tao amin’ny Sehatra Teolojika ho an’ny Laika , tao amin’ny « Faculte de Theologique Ambatonakanga » Andiany Faharetana izy ny taona : 2005. Nahavita ihany koa ny Fianarana Teolojika am-pitain-davitra tao amin’ny « International Lutheran Laymen’s Leaque » sy ny « Lutheran Hour Minstries », ny taona 2005 [ Amin’ny Fiteny Malagasy sy Frantsay ] Ny 30 Martsa 2006, izy no tafiditra niasa tao amin’ny Ivo toerana fanamboarana Vakisin’ ny biby fiompy etsy Ampandrianomby ; izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa , ka ny sampana Varotra sy ny « Etiqueter » ( Petit Bout de Papier ) no asa niandraketany tao tamin’izany , fa ny taona 2009 , izy dia niakatra tao amin’ny « Laboratoire ao amin’ny « Service Milieu » ka nisahana ny andraikitra ho « Garcon de labo » ny taona 2018 , izy no lasa ho «Preparateur de Laboratoire » na « Ouvrier Spécialisé » ary mbola izany hatamin’izao taona 2020 , izao . Ny taona 2007 , izy dia Birao ny Sampana Sekoly Alahady . Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana ; ary mbola am-perin’asa hatreto amin’ny fotoana hanoratana ( 2020 ) . Manana traikefa ihany koa mahakasika ny Fanabeazana ny Ankizy na ny : « Education pour la paix » noho ny Fiofanana nampanaovin’ny Unicef, azy ny taona 2008 . Efa Filoha Lefitry ny « Secteur Mangarivotra » ; Fokontany Ambatomaro Antsobolo ny taona 2009 - 2010 . ny tenany . Nomena ny Diplaoma ny Sekoly Alahady Manomana Mpampianatra tao amin’ny Sampana Sekoly Alahady . Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana , ny taona 2016 . Niofana mahakasika ny asa fanaovan-gazety nampanaovin’ny Foibe FJKM , na ny marimarina kokoa ny mahakasika ny Serasera eo anivon’ny FJKM ny taona 2018 Tale misahana ny ara-bola ao amin’ny Gazety Taniketsa , avoakan’ny Sampana Sekoly Alahady Fjkm Andrainarivo Fahasoavana, nandritra ny taona maro : ( Folo taona , ary mbola am-perin’asa , nanomboka ny taona 2010 , ka hatramin’izao taona 2023 izao . ) Ny Volana Jona 2006 , izy no nihaona sy nifankahita tamin’ilay olon-tiany tao amin’ilay ivo-toerana izay niasany , izay nolazaina tery aloha ka ny 30 Desambra 2006 ; no natao ny fangatahana sy ny fifamofoana ary ny vody ondry . Izany dia notanterahana tao Madiotsifafana Ambatondrazaka ; araka ny fangatahan’i Dokotera Benjamina . Ny Sabotsy 31 Martsa 2007 ; kosa no natao ny fisoratam-panadiana tao amin’ny Firaisana fahatelo , tetsy Antaninandro; izay nitohy tamin’ny fanamasinana ny fanambadiana izay natao tao amin’ny FJKM Andrainarivo .Izany lehilahy izany no nampakatra an-dRtoa RABERANTO Fidson Dina Tantely ho , vadiny . Telo mianadahy ny zanany ka roa vavy ary Lahitokana ny iray . [ ANDRIANARIVO TANTELY Ialy Nofy Meva Miangoty ( 15 taona = Kilasy taona 11 *) ; ANDRIANARIVO TANTELY Ny Arovana Miotisoa Sombin’Aina ( 13 taona = Kilasy taona faha 4 * ) ary ANDRIANARIVO TANTELY Fanomezantsoa Aina Nafindra ( 11 taona = Kilasy faha 6 * ] * Ny taona 2023 . Ny Gazetim-panjakana ; izay nivoaka tamin’ny Alakamisy 11 Jolay 2019 ; izay mitondra ny laharana : 3899 ; araka ny didim-pitondra laharana faha 12 288 / 2019 – PRM GCH ; izay nataon’ny filohan’ny Repoblika Atoa Andry Niriana Rajoelina ; tamin’ny 14 Jona 2019 ny mahakasika ny medalin’ny mpiasa ; dia omena noho ny fahatongavan’ny 1 May 2019 . Ny tenany dia nomen’ny fitondram-panjakana ny medaly alimo ; rehefa niasa nandritra ny 14 taona tao amin’ny IMVAVET etsy Ampandrianomby , izay Orinasa misahana ny fanamboarana Vakisiny ho an’ny biby , voalaza tery aloha. Tsetsetra tsy aritra no hilazana fa nandalina sy nikaroka ny soratra izy ka nahafahany namoaka boky vitsivitsy sy nahasahiany nanambara ampahibemaso fa tsy poeta izy fa ny soratra miteny no nosoratany . Ireto misy boky efa navoakany . - Aloka sy Nofy : Tononkalo ; nivoaka ny volana Aogositra 2004 - Amour et Deception : Tononkalo amin’ny fiteny frantsay : nivoaka ny volana Febroary 2005 . - Tiako ny zanako ka beaziko : Famakafakana : Nivoaka ny volana Aogositra 2014 . Tany Toamasina { Niangavy ahy izy tsy hilaza ny momba azy manokana kanefa voatery aho amin’ny maha iray anay satria Alokin’ny Hoaviko izy…Noterena hangina fa tsy nety …Aloka…Alok’iza...Alokin’ny vatako mahantra . } { Ny Aloka rehefa tazanina ; dia maneho fa tsinotsinona ny olona iray na zavatra voaforona iray , satria tsy tena izy fa manaloka ihany } “ Ny Fitiavako ny Fireneko , tsy atakaloko vola na voninahitra . Tiako izy satria teto aho no napetrak’Ilay Nahary . Malagasy aho ary reharehako izany . Na inona volon-koditra na avy aiza no niaviako ” TOKO I 1. Ny Lasa : 1.1. Madagasikara Fahagola Mahalasa saina ny mpikaroka maro (1) ny momba an’ity Nosy mamintsika sy malalantsika ity . Teo anelanelan’ny 200 taona ka hatramin’ny 100 taona , talohan’i Jesoa Kristy ; no efa nivezivezy nanandrify ny ranomasina momba an’i Madagasikara ireo sambo mpivarotra na mpandroba na mpiatafika na mpifindra-monina , kanefa tsy nisy nahafantatra azy na dia iray akory aza , kanefa dia nosy lehibe mihoatra an’i Kaomoro , kanefa ity farany dia hitan’izy ireo . Sambo roa no andeha hambara fohy fa nivezivezy nanaraka ny moron-dranomasina : 1. Ny Sambo « Euxode de Cyzique » tamin’ny andron’ingahy Ptolémée VII , Evergète II ; izay mpanjaka tao Egypte ( 170 - 116 , talohan’ny J.K ) Nikasa ho any Inde izy io , ary tafahoatra ny « Cap de Bonne éspérnce » (2) 2. 500 taona talohan’ny J.K , nisy sambo iray , nentin’ny mpiantsambo atao hoe : « Hannon » Niainga tany amin’ny ranomasina « Mediterranean » ,voalaza fa nanaraka ny sisiny andrefan’i Afrika izy io , ka tonga tao « Gambie » ka namarana ny diany tao « Cerné » (3) Maro ny resabe mahakasika an’ity Nosin’ny Malagasy ity ary samy hafa avokoa ny filazana azy ho izao sy izao . Madagasikara anefa , hatrizay hatrizay dia tany Mahagaga na Nosy tsy fantatra no niantsoana azy . Na ny Arabo ; ny Grika ; ny Egypiana ; ny Romana ; ny Fenisiana ; ny Hebreo ; eny fa na dia ny Eoropeana aza , dia efa nanana mpiantsambo kinga sy mahay ary nivezivezy tao amin’ny ranomasina Indiana , kanefa tsy nahita an’i Madagasikara , kanefa dia mivelatra amin’ny velarana : 592.000 Km2 . Lehibe zany a!  Diadore de Sicile : nampiseho azy fa « Iamboul » na Tamboul na Iamboule , izay taty amin’ny ranomasina Indiana .  Aristote : Phambalou na Phébal hono i Madagasikara (4) Ptolémée , tany amin’ny taaon-jato faha II , dia efa nanondro azy ho ilay Nosy hoe : « Ménuthias » (5) Ireo boky maro ihany koa dia nanondro azy ho : « Gérizat-el-Komor » (6). Maro no anarana niantsona azy toin’ny hoe : Seranda ; El-Anfoudja ; Chez Bezat ; Cheboua ; El-Kamar ; Albargra . tsy voavaly izany raha tsy taty amin’ny taona 1500 na ny marimarina kokoa ny 02 Martsa 1500 , rehefa niainga tao « Portugal » ny sambo izy niisa 13 ka i Pedralvarez Cabral no nifehy azy ka tany India no nizorany , hamakivaky ny ranomasina Atlantika izay andrefan’i Afrika . Niara-doza ny sambo sasany ny 23 May 1500 , teo akaikin’i Cap de Bonne Espérance ary natosikin’ny rivo-doza hiatsinanana ny sambo nentin’i Diego Diaz . (7) Nisy ihany koa fanambarana ombieny ombieny , fa nandalo tao Ofira (8) ny sambon’i Tarsisy , tamin’ny andro nanjakan’ny mpanjakan’ny Hebreo dia i Solomona izany . Nahagaga ahy ny fanehoana an-tsary fa tsy toy izao hita amin’ny sary izao Madagasikara fa nandry niatsinanana no fijery azy . Tonga teto Madagasikara izy ny 10 Aogositra 1500 ka nantsoiny hoe : Saint Laurent , araka ny fetin’i Masidahy Laurent , ny Nosinsika .. Voalaza fa nandalo teto ry Tristan da Cunla ny taona 1506 , enin-taona aty aoriana, ary ny taona 1543 , izany hoe 37 taona aty aoriana , nandalo teto ihay koa i Diego Suarez . (9) Ny tena nanaitra ihany koa tamin’io raki-tsoratrin’ny ela , vao hitako io , ny fanambaran’ireo « Mpahay fikarovana na mpikaroka any ambanin’ny tany ; fasana sy ny maro hafa azo hikarohana » (10) teo amin’izay mahakasika ny lafin-tany ; ny tany ; ny nofon-tany , fa mitovy ary tsy mifanalavitra ny an’i Madagasikara ny endrikin’ny tanin’ireto an’ireto Firenena tanisaina manaraka ireto : « Amerika Atsimo ; Afrika Atsimo ; Inde ary Australie » Mifanalavitra sy mifanao Atsimo sy Avaratra ; Andrefana sy Atsinanana . Mahavalalanina ny misaina izany ary tsy takatrin’ny saina raha tsy mandinika sy mikaroka ireo fikarohana izay nataon’ireo zoky ray aman-dreny na ireo zandry zanaka ; nandalim-pahaizana . Manam-porofo ny amin’izany ny fikarohana izay natao (11) ary manizingizina mihitsy ireo mpikaroka vahiny ireo fa ny fiendahan’i Madagasikara dia avy ao amin’ny Faritra Azia tokoa . ka ny nahatongavany teto amin’io nisy azy ankehitriny io dia vokatrin’ny fanosehan’ny onja mahery vaika izay nianantsimo Andrefana ; hoy izy ireo ; ka nahatonga ny tenako ihany koa hanaiky izay nambaran’izy ireo : Fa i Afrika tokoa anie ka 400 Km monja avy eto Madagasikara e! ( Misy indray milaza fa 380 Km ny elanelan’i Afrika sy Madagasikara ) kanefa tsy ahitana na dia biby iray akory aza hita ao amin’izy ireo , ka hita teto . Azia anefa 8800 Km , elenelana lavitra dia lavitra izany ; kanefa dia ahitana fitoviana tanteraka ny zava-maniry na ny biby na ny endrikin’ny tany . Tery aloha anefa isika araka ny fanehoan’ireo vahiny mpikaroka an’i Madagasikara , mahakasika ny toetry ny tany fa tafiditra tao Afrika atsimo , izay akaiky antsika . Inona no tena marina . Azo porofoina araka izany fa bolongan-tany iray goavana ity tany ity taloha . (12). Mampisalasala ny olona ihany koa ny fisian”ireo tanàna hafahafa : Ambondrobe ; Andrebabe , izay mifono zava-miafina , hatramin’izay ka hatramin’izao : Ambondrombe : Ny teny hoe Ambondrombe dia fivoriam-be na fonenana iombonan'ny rehetra any ankoatra rahatrizay maty ka miala eto an-tany. Raha nanafika tany atsimo tany ny tafika nalefan’ny mpanjaka Radama, dia ripaka maty tany ; ka teo amin'io toerana Ambondrombe io, ireo miaramila an-jatony. Koa ho fampiononana ny havan'ny maty, rehefa tafaverina ireo sisa velona dia nilaza tamin’ ny havany fa mbola hihaona amin'ireo havany any Ambondrombe izy ireo rahatrizay. (13) Misy ihany koa ireo vavolombelona nahita maso ny zava-nitranga tany ka nitantara izany tamin’ireo havan’ny maty tany ankoatra ; dia ireo iraka izay nalefan’ny « BRGM » izay niasa tao Ampandrianomby ; Ireto avy ireo olona ireo : Randria, izay solontenan'ny Zafimpanazary ; Faritra iray ao Ambatondrazaka ao . François, izay solontenan'ny avy amin'Andriamanalina izay any Betsileo any . Vieter, izay solontenan'ny avy eto Imerina . Tsy hay adinoina ihany koa Atoa Minisitra Latimer Rangers , izay efa niditra sy niaina tao Andrebabe : Andrebabe dia vohitra iray any amin'iny faritra Alaotra iny. Manana ny misteriny manokana i Andrebabe, izay tsy mbola nahitana fanazavana ofisialy hatreto. Na dia efa nisy teratany vahiny aza nikasa fa dia niveri-maina. Toerana eto Madagasikara izay mifono mistery araka ny lovan-tsofina sy ny feon'ny fiaraha-monina, ny fijoroana vavolombelona nataona olona ary ny siosion-dresaka heno ny mahakasika ny tanàna . Izy io dia amina « dimension » hafa mihitsy ka izay mponina ao ihany no afaka mahita azy sy mahita ny lalana miditra any. Olona toa antsika ihany izy ary mitafy sy tomombana tsara fa amina tontolo hafa. Rehefa miantsena ny mponina ao dia mivoaka ao ry zareo ary mivezivezy eny an-tsena eny. Fa hoy ilay namana maromaro nitantara hoe: nisy mponina avy any nianatra tamin'ny anjery manontolo ary rehefa mody ry zareo dia manjavona tampoka eny an-dalana ranamana satria izy irery ihany no mahita ny lalana fidirana any. Toy izany koa ireo kalanoro; zazavavindrano ; matotoa, hery fanahy hafahafa izay tsapa nefa tsy hitan'ny masontsika satria amina « Dimension » na tontolo tsy hita maso no hany azo hanambarana azy . Eny, toy izany ireo toerana mistery maro eto an-tany toy ny « triangle de bermude ; mer du diable; sns... » . Ny « dimesion » , dia ilay « support » mitondra ny fanahy, toy ny nofo. Io nofontsika io no mitondra sy mangeja ny fanahintsika. Efa nandalo « dimension » maro isika olombelona sy ny tany fa « 3è dimesion » isika izao. Izany hoe, ity tontolo materialy sy hita maso azo tsapain-tanana ity. Fa ny « 4 è Dimension » dia feno fitiavana ,ary miditra amin'izany isika izao. Ary izany no mahatonga ny ady etsy sy eroa tsy mitsahatra maneran-tany satria ambony loatra io ovitra « vibration » io dia tsy zakan'olombelona. (14) « Akkadian » tao Babylona Ry zareo « Azteques » 1.2 Iza moa Ofira ? Ny zavatra nampitaina sy fantatry ny Malagasy maro hatreto dia izao : Taty amin'ny taonjato fahavalo sy fahasivy : 701 - 800 = A.D , no tonga teto amin'ity Nosy ity , ireo mpifindra-monina voalohany avy any « Indonésie ». Ary rehefa tonga teto ireo mpifindra-monina ireo dia niharan'ny « bantouisation » ka nahatonga ny mponina ankehitriny. Ny an-tontan-kevitra ampitaina manaraka eto dia mampiseho ireo tondro « indicateurs » isan-karazany ahafantarana , fa fotoana efa ela taloha , lavitr’io voalaza eo ambony no nahatongavan’ny mponina voalohany teto amin’ny Nosy ka nahatonga ny anarany ho nantsoina hoe Ofira nanomboka ny taona 1500 BC , ka hatramin’ny taona 100 AD. Araka izany dia maromaro amin’ireo tondro ireo no misy fifandraisana ara-tantara amin’ny « Himyarita » sy « Judeo-Israël » , kanefa tsara ho marihana fa ny fampahafantarana azy ireo dia tsy milaza velively ho fanaovana « hebreu-isation » , toy ny filazana teo aloha hoe : « bantouisation », fa natao kosa mba ho fikarohana ny fototra niavian'ireo vazimba tompontany izay nonina sy nitoetra teto Madagasikara voalohany , ary mbola hampahafantarana antsika ao aoriana ao . 1.2.1 Ny nahatonga ireo bibidia goavana ho lany tamingana : Ny fikarohana arkeolojika nataon-dry « Laurie R. Godfrey » ; dia manamarina ny fisiana olombelona teto amin’ity Nosy ity , efa hatrany amin’ny taona 2000 BC, ary efa nanomboka tamin’izany fotoana izany ny fihazana ny bibidia goavana nisy teto amin’ny Nosy : toy ny elefanta; ny lalomena; ny gidrobe, ny vorompatra « aepyornis », izay natatonga ny fihenany tsikelikely tao anatin’ny an’arivo taona. Izany fihenan’ny bibidia goavana izany dia azo heverina fa mifanindry amin’ny fihazana ireo biby ireo araka ny filan’ny fanjakana « Judéo-Israel » ( I Mpan 10 : 22 ). Efa nanomboka hatrany amin’ny taona 63 AD , no tsy nisy intsony ny bibidia naondrana nakany « Judéo-Israel » noho ny tsindrin’ny fanjanahantany nataon’ny Romana tamin’ny Jiosy, nefa koa noho ny efa fahavitsiany vokatry ny fihazana nandritra ny an’arivo taona, ary mbola niampy ny filan’ny mponina ara-tsakafo teto amin’ny Nosy. Izany rehetra izany no isan’ny antony nahatapitra tamingana ireo bibidia goavana ireo. Taty amin’ny taona 750 AD, efa nihamaro ny mponina teto amin’ny Nosy, ka nihazakazaka be ny fahalanian’ireo bibidia goavana ireo, ary tapitra tamingana taty amin’ny taona 850 AD 1.2.1.2 Ny fihazana ny bibidia goavana : Manamarina ny fihazana ny bibidia goavana teto amin’ny Nosy ny nahitana ireo « fossiles » taolam-pe ny « Hypoppotame » tao amin’ny lava-baton’Anjohibe ao Mahajanga : hita amin’izany « fossiles » taolam-pe izany ny dian’antsy nikapakapana tsy nisy indrafo ilay taolana, mariky ny fihazana Manamarina ny fihazana bibidia goavana toy izany koa ny nahitan’ny Dr James Hansford ( Institut de zoologie de ZSL ) ny mahakasika ireo « fossiles » taolan-tongotra Vorompatra « Aepyornis » tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, izay misy dian-java-maranitra nikapa ilay taolana, mariky ny fihazana azy nataon’ireo tompon-tany na mpihavy izay tsy niraharaha ny maha sarobidy ireo zava-manan’aina ireo . Ny Vorompatra « Aepyornis » anefa dia mety hanana lanja mihoatra ny 230 kg, ary ny atodiny dia mahatratra 1m manodidina eo amin’ny ivony. Ny moron-dranomasina sasany any Atsimon’ny Nosy dia mbola ahitana keran’atodin’ny Vorompatra « Aepyornis » miparitaka, toy ny hita any Lavanono. 1.2.1.3 Ny fitrandrahana ny Ala-kitroka : Ny fisian’ny sisan’Ala na « Forêts Secondaires » amin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy ; dia manamarina ny fisian’ny Ala-Kitroka na « Forêts Primaires » teto amin’ny Nosy, ary koa ny fitrandrahana izany Ala-kitroka izany nandritra ny an’arivo taona. Ny hany toerana sisa mbola ahitana Ala-kitroka kely tsy voatrandraka dia any amin’ireto faritra ireto : Avaratra-Atsinanana = Marojejy; Makira; Masoala; Mananara; Ambatovaky ary ny faritra Atsinanana = Zahamena, Ankeniheny, Mantadia sy ny Atsimo-Atsinanana = Vondrozo, Midongy, Andohahela sy ao Menabe = Andranomena, Kirindy ary ny faritra Atsimo-Andrefana = Tsimanampetsotsa . Ireo faritra tsy voatrandraka ireo sisa no mbola ahitana ireo hazo sarobidy « almuggim » ( I Mpan10:12 ) izay lazain’ny Mpahay tantara Hebreo hoe : « Palissande de Madagascar » . Ny faritra avo sy afovoan-tany rehetra manerana ny Nosy : Manerinerina; Bongolava; Belobaka; Tampoketsan’i Fenoarivo; Tampoketsan’Ankazobe; Tampoketsan’i Bevoromay; Tampoketsan’i Kamoro; Itremo; Ankaratra; Vakinankaratra; Mandoto; Isorana; Ikalamavony; Zomandao; Horombe sy ny maro hafa ihany koa ; dia tsy ahitana Ala-Kitroka intsony, fa efa voatrandraka avokoa nandritra ny an’arivo taona talohan’ i J.K. Tanety ngazana sy tany feralitika sisa no navelan’ny fitrandrahana ny Ala-kitroka teto amin’ny Nosy, ary Sisan’Ala « Forêts Secondaires » no hany sisa hita mitomandavana manaraka ny lohasaha, toy ny hita any ami’ny Faritra Bongolava 1.2.1.4 Ny dian-tànana manamarina ny fandalovan’ny « Himyarite » teto amin’ny Nosy : Ny toerana avy nandalovan’ny « Himyarite » nakana ny volamena sy ny entana sarobidy rehetra ; dia nametrahana dian-tanana avokoa, izay natao soratra vita rangotra na voalavaka eny ambony harambato sy tendrombohitra : Jereo ny baiboly ( Job 28 : 9-10 ) mba hahafantarana izany fandalovana izany. Tondro manamarina ny famantarana ity Nosy ity amin’ny anarana Ofira ny fisian’ireo dian-tanana teto amin’ny Nosy, izay hita any Ivolamena, sy Vohitsoratra sy Andrikitra . Ohatra iray ihany koa ity : Ao Vohipeno misy taranaka Hebreo izay nampiasa ny sorabe fomba fanoratra Hebreo andiany faharoa, nisy tamin'izy ireo no tafakatra nanjaka tao amin’ny fanjakana Betsileo ary nisy ireo nifindra tany Imerina, misy olona manana fomba tena itoviana amin’ny Hebreo koa ao « Saint Marie » , nefa tsy nahalala izay tena niaviany ireo razambeny ary manana ny nosy Boraha koa izy ireo izay midika hoe nosin'i Abrahama, ireto ny fomba itovizana ohatra : ny famoran-jaza, ny lova tsy mifindra, ny fampisana an-tsamotady na ny pilotra ary ny fomba fiteny any amin’ny faritra atsimo ny Nosy iny dia mbola misy itovizana amin’i Hebreo hiany koa. « Maro ny milaza fa hebreo, ny malagasy. » Ny Ranty izay nataon’Atoa « Simba De La Savanne » no nahazoana ny mari-pamantarana sy ny tondroin’ny tantara ho marina . Ny hebreo dia efa nanana soratra 1000 taona talohan'i Jesoa, izany hoe : « 10 ème siècle. Écriture paléo-hebraïque » no hilazana azy. Tany amin'ny taona 930 - 720 talohan’i Jesoa Kristy nefa vao nisaraka ho roa ny fanjakana Israely dia Samaria sy Joda izany. Tamin'ny taona 587 talohan'i Jesoa Kristy , no Rava ny fanjakana Joda na « Royaume de judée » , ka nanomboka niparitaka ny hebreo. Tao @ lemaky Raha hebreo araka ny lazain'ny sasany tokoa ary ny malagasy sasan-tsasany fa tsy izy rehetra akory na ireo mihambo fa Jiosy , efa 1000 taona talohan'i Jesoa Kristy dia efa nahay nanana soratra ny hebreo, nahoana ary no tsy ahitana vakoka amin’ny teny hebreo na « paléo-hebraique » mitantara ny mombamomba ny hebreo nanorim-ponenana teto madagasikara ? Aiza ny soratra amin’ny taratasy, na ny « tablette d'argile ? » fara faharatsiny .! Kanefa efa voalaza fa efa nanana soratra ny Jiosy dia aiza ary ny fahalalana napetrany sy ny nanamarinany fa nisy tantara i Madagasikara izay nolazaina fa Ofira na tanin’i Jiosy fahizay ? 1.2 . Ny Nahatongavan’ny olona teto Madagasikara : Raha tonga avy any amin’ny Ilany Atsinanana tany Maroseranina ireo “ Nusantara ” (15) ; dia namakivavy ny ala atsinanana izy ireo , ary tonga teo amin’ny faritra iray. Mba hiveloman’izy ireo dia notapahiny ny ala ary nanao voly tavy izy ireo mba hahafahany mivelona. Ka ilay tany lasa hay iny no niavian’ilay anarana hoe : amoronkay.Teo anilan’ny fanjakana Amoronkay moa dia nisy ireo foko Bezanozano izay nantsoina hoe Antakay. Ka reo Mponina Antakay ireo dia teo amin’io toerana nisy hay ireo izy no nonina tamin’izany fotoana izany .Mponina voalohany avy any Aostronezina izy ireo , no tonga teo amin’io toerana misy an’i Ankay Bezanozano io. Rehefa avy niditra teny amin’i Maroantsetra teo Vohidrazana I ; ireo mponina Aostronezianina notarihan’i Andriantomara dia nandeha niditra tsy kelikely teo afovoan-tany ireo taranaka. Dia avy eo tonga teo Anevoka Moramanga , i Andriambavibe sy Andriandahimena rain’i Andrianady ; na nantsoina ihany koa hoe Ranady izay vazimba . Andriambavibe kosa araka ny tantara no nandeha nikisaka nankany Antsihanaka ary Andriambavibe io no niavian'ny tanànan'Andrebabe. Andrababe na Andrebabe dia adika hoe ivon-dranomasina na nosy no heviny . Ary io Andriambavibe io no isan'ny mpanazary voalohany tamin'iny faritra Antsihanaka iny ary saika ny taranany rehetra dia Mpanazary avokoa. Ny mpanazary ; dia afaka mifandray mivantana amin'andriamanitra hono tsy misy mpanelanelana ary mifandray ihany koa amin'ireo antsointsika ankehitriny hoe anjely na lazainy hoe : rajaro lehibe . Izany hoe efa nahatratra ny faratampony amy ny fierem-panahy ny mpanazary. Ka izy ireo no tena Yoki na Yogi izay lazaintsika hoe : Zokibe. 1.3.1 Ny mponina tamin’izany : Voaporofo tokoa ary ve ; fa ny taon-jato faha dimy , talohan’i J.K , no nahatongavan’ny olona teto Madagasikara . Raha izany dia mitombina ihany ny filazana fa efa nisy olona teto . Ny Aositroneziana no heverina fa razamben’ny Malagasy tany amin’ny taona 1200 , tany ho any ; ka ny Faritra atsinanan’i Sina sy ny Nosy Formozy no nisy azy ireo . Andeha aloha faritantsika ireo Firenena mampiasa ny teny Aositroneziana (16) . Maro mantsy ireo mpikaroka avy any ivelany sy avy eto an-toerana , izay samy manana ny fanambarany avokoa . Misy ny mampisalasala izy ireny misy kosa anefa ny mampieritreritra . Ny sasany dia sahy maneho ny heviny fa tsy nisy mponina teto fa mpihavy . Raha izany ange no heverina dia ho Metisy tahaka izay mitranga etsy amin’ny Nosy “ La Réunion ” sy Maorisy avokoa ny Gasy e! . Ny zava-misy anefa dia tsy mba Kreola tahaka ireo Firenena notanisaiko teo aloha ireo ny teto ; fa Malagasy iray ihany na dia misy aza ny fotsy sy ny mainty fihodirana , na izy hitanao ngita volo ; no misy ny malama volo ; maranindranitr’endrika no sady petak’ orina fa sady lava ranjanana no botabota fohifohy halavana . Voabango ho tokana ny totalin’endrika amam-bikany . Misy ny vaventy sy kelikely ray . Voaporo izao araka ny nambara tetsy aloha , fa ny taon-jato faha 5 talohan’i J . K , no nahitana fa efa nisy mponina teto , izay mponina niara-tonga tamin’ity tany ity . Nisy fahabangana ny tantara mampiseho ny mponina teto na io niniana izay tsy ahafantaran’ny Malagasy ny tantarany ; satria ny vahiny no tena niseho ho nahay sy mahafantatra bebe koa ny Nosy Malagasy , izay niainga tamin’ny lovan-tsofina tsy fantatra na izy na tsy izy , na mety ho izao ihany koa no nitranga , satria mbola nanahirana tamin’ireo Gasy taloha ny fiaraha-monina tamin’ny vahiny Frantsay Ilay Noheverina fa ny Nosy Ménuthias ny taon-jato II . Misy ihany anefa ny azo lazaina fa marina tsy azo hidovirana . Tsotra mantsy ny antony ; tsy nisy sahy nanao fikarohana ireny Fasam-bazimba ireny mba hanehoana ny tena zava-nisy marina fahizay . Noho ny filazana ombieny ombieny fa fady ny fikitihana na fanitsakitsahana ny fasany ; noho ny zavatra mety hitranga eo no ho eo , dia ny mety hahafaty na miolana ny tenda sy ny zavatra hafa mety hiseho tampoka tsy ampoizina toy ny hoe ; harahan-dolo sy ny hoe : hitoerany mandrakizay . Izany rehetra izany dia hanaporofoina fa fikarohana kitoatoa ihany no natao noho ny fandehan-javatra tsy azo hinoana . Ny Firenena hafa mantsy na dia nanana ny fombany aza ; dia vitan’izy ireny ny nanao fikarohana tany amin’ireny fasana ireny sy tany amban’ny tany lavitra be tany ka nahitana taolana na zavatra nampiasany ka fantatra ny olombelona tany amin-drizareo voalohany . Ny antsika anefa tsy nisy sahy nanokatra na dia fasam-bazimba iray aza . Toraka izany , ihany koa ny fasan’andriana , talohan’ny taona 1200 , tany ho any . Ny antony efa voalazako tery aloha ; voafatotrin’ny honohono sy ny angano ary mety ho hankanosana ihany koa anefa . Izany ary ve no nahatonga ny tsy fisian’ny fikarohana natao teto. Diso anefa izany fiheverana izany satria ; Ny Malagasy dia manaja sy mankatoa ny razana nipoirana ka tsy azo kitikitihana , izay sahy manao izany dia hahita loza ny taranany ary verezin-jo tanteraka , mpankatoa ny ray aman-dreny . Raha ny teny na Fiteny izay hampiasaintsika Malagasy dia tokana tsy mizarazara araka ny fikarohana natao (16) . Azo antoka ny fisian’ny olona teto talohan’ny fahangola na ny faha foko araka ny nahafantarantsika azy tany amin’ny lesona nampianarina antsika . Na izany aza dia tsy nahatahiry ny teniny mihintsy ireo razambe taloha ireo ; fa nampiaina tamin’ny teny am-bava : Ankamantatra ; Angano ; Hain-teny ; Kabary ; Tanisa , tsy hay adinoina kosa anefa ireo kilalaon-tsaina marobe nanabeazana ny taranany . Ireo vazaha na vahiny misionera tonga teto vao nahaforona ny soratra ho azy ny Malagasy . Afaka mitopo teny fatratra isika ; fa ireo lazaina vazimba ireo dia mponina voalohany teto , fa nohon’ny tsy fahafantarana dia noboriboriana ny mahakasika azy , na izany na tsy izany dia nisy ihany ireo olona tany amin’ny faritra nampiseho ny mponina tao aminy . Saika nitovy avokoa ny fomba amam-panaon’ireo olona ireo . Ny vazimba dia tsy mba mitana sampy , ary tsy manao sikidy na ody , ary tsy nanao tromba toy ny sakalava ; teo aminy dia nanaja ny andro tsinambolana izy ireny, ary ny akoholahy dia noheveriny ho biby masina . Nanao famadihana ireny vazimba ireny raha ny tantara no jerena . Amin'ny voalohany dia aleviny ataony anirotra aloha ny fatin-kavany, ary nony afaka herintaona dia sokafany ny fasana dia angoniny ny taolany ka apetrany ao anaty lakana anankiroa mifanarona vao aleviny ka dia tsy hetsiketsehiny intsony. Olona mahay manefy vilany sy siny tany fatratra ny Vazimba kanefa tsy mba namboly vary akory izy ireny Tsy tapitra nandositra niala teto Imerina avokoa anefa ny Vazimba na dia resy nanomboka teo amin'Andriamanelo hatramin'Andrianjaka aza izy ireny,fa mbola niara-nonina tamin'ny mponina teto ny sasany. Betsaka ny fikarohana , betsaka ihany kosa anefa tsy vita , noho ny antony maro samy hafa , fa ny hamaranana ity fizarana ity dia ny : Mahakasika ireo boky azo nangalana hevitra na tahiri-kevitra izay nahakasika an’i Madagasikara sy ny mponina tao aminy . Atreto dia mbola somary manjavozavo ihany ny momba an'i Madagasikara sy ny tantarany,ny fihavian'ny mponina ao aminy sy ny fiavian'ny fomban-taniny.Betsaka ireo karazana hevitra momba izany ary voarakitra sy vosoratra anaty boky izy ireny, maro no efa hitantsika nefa koa mbola maro no nampirimina any anaty vata sy any ambany fandriana any.Isaorana ny mpikaroka sy ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo izay manomboka mamoaka azy ireny tsikelikely vokatry ny fikarohana nataony. Isaorana koa ireo izay manomboka mamoaka ny lovan-tsofina sy ny lovan-tarazo nananany, isaorana ny mpanao fandaharana rehetra izay mivoy ny fomba sy ny finoana rehetra. Ho an'ireo mpikaroka na koa ireo liana amin'ny tantaran'ny fiandohan'ny Malagasy, ireo liana indray amin'ireo hevitra milaza ny momba ireo tompon-tany efa niaina teto efa an'arivo taona maromaro, ny momba ny resaka teny malagasy ; izay lazaina ho isan'ireo teny tranainy indrindra eto an-tany, ny momba ny finoana malagasy izay fomba tranainy indrindra ary saika mitovy amin'ny hita amin'ireo boky masina sy soratra tranainy voatahiry, ny momba ny mpihavy nifindra monina teto, ny momba ireo faminaniana tranainy momba an'i Madagasikara, ny momba ireo zava-miafina izay efa voaresaka tery aloha ka tsy hiverenana intsony ny mahakasika azy ireny (17) « Brunei, Indonésie, Malaisie, Singapour, Thaïlande = Malais-Indonésien ; Javanais . Indonesien = Soundanais ; Madurais ; Minangkabau ; Batak ; Bugis ; Balinais ; Makassar ; Lampung ; Sasak ; Aceh ; Rejang ; Ngaju dayak ; Niha ; Bima ; Manggarai ; Kerinci ( dialecte malais ) ; Kinaray ; Sumbawa ; Kambera » . Philippines = Tagalog -« pilipino » ; Bisaya ; Ilocano ; Hiligaïnon ; Bicol ; Pampangan ; Pangasinan ; Magindanao ; Tausug ; Maranao ; Surigaonon . Indonésie, Timor oriental ( langue officielle ) = Tétoum . Malaisie = Iban . Samoa, Fidji, Nouvelle-Zélande, Tonga, États-Unis = Samoan . Cambodge, Viêtnam = Cham ; Jaraï ; Rhade . Papouasie-Nouvelle-Guinée = Kuanua ( Tolai ) . Tonga = Tonguien . Nouvelle-Zélande = Maori . Kiribati ( anciennes îles Gilbert ) = Gilbertin . Guam, îles Mariannes du Nord = Chamorro . îles de la Société = Tahitien . Archipel des Tuamotu = Pa'umotu. Madagasikara = Malagasy » . Raha jerena izany dia Madagasikara ; Kiribati ( anciennes îles Gilbert ) ; Guam, îles Mariannes du Nord ; ary ny Nosy ; îles de la Société sy Archipel des Tuamotu , no hany mampiasa teny na fiteny tokana , fa ny ankoatra izany dia nanana na manana fiteny maromaro nampiasaina na hampiasaina ao amin’ny Fireneny . (17) = Ilay Boky mitondra ny lohateny hoe : Nosindambo lemiorio izay nosoratan-dRabearifeno: izy dia Mampianatra Fanandroana tranainy, mampianatra Sikidy. Ilay boky Fireham-pinoan'ny Ntaolo Malagasy izay nosoratan'i Lars Vig . Ny Boky: les revelations du grandes oceans izay nosoratan'i Jules Herman : Ka milaza fa isan'ireo manana teny sy fomba tranainy indrindra eto ambonin'ny Tany i Madagasikara. Milaza ny resaka Atlatindes sy Lémurie izy! Tantarainy ao koa ny fiforonan'i Madagasikara nanomboka tany amin'ny Gondwana,miresaka momba ny vazimba tompon-tany izy. Vakio fa ho gaga ianao.Tsy mana-marina izay voasoratra ao ny tenako; anjaranao ihany koa ny mikaroka ny fahamarinany 1.3.2. Ny Mponina voalohany : Efa nisy nambara tery aloha ihany ny sombiny tamin’ireo mponina voalohany teto Madagasikara fa tsy mba novelarina be be kokoa . . Ny Taimbalimbaly sy Tainondrinondry = Mponina tao amin’ny Faritra afovoany izay niandohan’ny Betsileo ; nisy maro izy ireo fa ny Ntaiva no andeha hohamarinina satria , olona mahay mandrafitra sikotra na misikotra rary toin’ny vato , izay miendrika soratra . Maro ireo mpiandrika na mpihavy tonga teto , raha nahita io soratra eo amin’ny tendrombohitra na vohitra angaha ny marimarina kokoa , izay hita ao Alakamisy Ambohimaha , izay andalovan’ny lalam-pirenena faha 7 . Misy soratra tsy fanta-piandohana na vanim-potoana tahaka ny inona no nanoratana azy . Misy anefa ireo mindrikina fa soratra Jiosy izy io ary Jiosy no nanoratra azy . Tsy misy porofo anefa satria na dikany io soratra io aza tsy voavakin’ireo Israeliana ,monina sy mipetraka eto . Soratra Arabo hoy ny hafa , mitovy tsy misy valaka amin’ireo tonga talohany satria tsy misy mahalala ny heviny , eny fa dia ireo mpahita sy mpisikidy aza , fony fahagola tsy mahafantatra izay tena heviny sy dikany . Raha ho ahy manokana dia sikotra Ntaiva io amin’ny maha mpisikotra mahay azy . Izay nolovainy tamin’ireo razambe niandohany nialohan’ny nahatongavany teto anivon’ny Nosy . (18) . Nojerena sy nodinihana ny faka-teny sy ny renin-tsoratra fa niala maina . Fanamarihana tsy nahy no ahafahako milaza fa : « Fihavanana » no hevitr’io soratra io ; satria izany no soatoavina voalohany tsy maintsy hiainan’ny Nosy Madagasikara , talohan’ny taonjato faha 6 ; talohan’i J.K. ( Mbola ho hitan-tsika ao aoriana ny hevitry ny soratra tsirairay . Miandrasa kely aloha .) Ny vondron’olona Betsileo , dia olon’ny fihavanana , hita izany amin’ny fiteniny , fihetsiny . Tsy mbola nahay nampiasa soratra tamin’ny taratasy fa vato no nampitana hafatra . Io no miharihary ka nosoratana teo io soratra io . Fihavanana . Azo inoana fa ny Zafimaniry dia Ntaiva ihany , satria Ntaiva izy fahagola fa niofo ho Zafimaniry kosa ; nialohan’ny taona 1100 , aty aorian’i J.K . Ireo olombelona voalohany tany Betsileo ireo , raha misy fahafatesana ka handevina ; ny itovizany dia tsy mba mandevina izy ireo fa avy hatrany dia ataony ao anaty honahona ny fatin’ireo havany efa maty dia hosehany hifangaro amin’ny fota-mandrevo sy madinty na ampihosehana omby dia vita .Tsy hita taratra ny Fasana tamin’izany ary tsy nanao famadihana izany ny mponina voalohany . tsy mba tia ady ary tena mpiompy omby . Ny zokiolona no mpihevitra izay atao , manaraka ny ambiny . Talohan’ny Taon-jato faha 16, dia fantatra araka ny fanambaran’ny ao Marovoay - Boeny, eo amin’ny PK12, fa ny Kibosy izay razamben’izy ireo no olona voalohany teto Madagasikara. Ahitana azy ireo Nosy nanodidina ny Firenena sy akaiky tokoa antsika, toy ny : Nosy Manga ; Nosy Baly ; Nosy Makamba ; Nosy Kingany : Nosy Ambariotelo : Nosy Mahiloha ; Nosy Langany ary Mahajanga. Nifanerasera tamin’ireo Firenena Manodidina azy any ivelan’ny ranomasina izy ireo, tamin’ny alalan’ny lakana na lakam-bezo entin’ny rivotra. Tao Afrika: ( Sofala ; Kilimany ; Kilioà ; Zanzibara ; Mombasa ; Molindi ; Mogadotso ; Monomotora ; Zimbaboe ; Pempa ; Mafia ; Lamo ; Kilifi ; Pate ; Kismaio ; Daraoa .) Tao Persia : ( Ormozy ; Shirazy; Mansira; Alexandria.) Tao Arabia: ( Mosikaty ; Lemena ; Hadramaoty : Omany.) Tao India : ( Dio ; Gojaraty ; Malabary ; Shina.) Ireo Kibosy ireo dia nanana ny taranany atao hoe : Betaolo . Inona no azonao tsoahina raha hiverenana ny taon-jato faha-14, tany ho any , fony mbola rakotr’ala ny Nosintsika ? . Ny Vazimba (19) kosa no resahana manokana dia misy ihany ny ambara mahakasika azy : Misy milaza fa avy any Afrika izy no nikisaka nian-tsambo ka tonga teto Madagasikara ka nanamorona ny morontsiraka avaratra andrefana sy ny atsimo atsinanana ny sasany vao nandroso tsikelikely teto avofoan-tany . Nieli-patrana tokoa izy araka ny tantara . Mampatahotra ny mahita azy ; ao ny lava tahaka an-dRapeto sy Darafify . Ny ankamaroan’ireo vondron’olona hita eto Madagasikara dia niainga taminy avokoa . Olon’ny Fahagola tsy mba tia ady ary nandala ihany koa ny fihavanana . Tsy mba nandripaka ny ala izy ireo na dia nampiasa ny tevy ala ho fambolena aza . Azo porofoina izany , satria rakotra ala anaty Rova fahizay . Izany no naha Analamanga azy vao Antananarivo , rehefa resin’Andrianjaka ny Vazimba , ny taona 1610 . Noho izy nampiasa vy . Fasana tokana ny azy ary olona iray ihany no alevina ao , tsy mamadika ; niaina tamin’ny natiora sy ny vokatrin’ny natiora . . Na ny Kalanoro na ny Kinaoly na ny Zazavavindrano sy izay rehetra noheverina fa angano dia mitahiry lovan-tsaina sy lovan-tsofina tsy mety lefy laza ka voatahiry mandraka ankehitriny . Raha aravona izany dia izao . Na vazimba izy na taimbalimbaly na kibosy na mbola mety hisy hilaza ny razambeny dia heverina fa iray ihany ireo ; indrindra fa teo amin’ny fombany sy ny fanaony ary ny toetrany . Niaina tamin’ny fihavanana avokoa ary nampiasa ny soatoavin’ny Ntaolo fahizany . Tsy niady fanjakana fa samy masina an-taniny ny tsirairay , nadritra ny 310 taona be izao ( 1300 - 1610 ) Na dia efa hita taratra aza fa niaka-danja aza ny teto anivon-tany (19) . Ny mahakasika an’ireto olombelona ireto , no hanaovako fanazavana kely : Voalohany = Andrianizinizina ; tao Fanongoavana ary Andriandravindravina ; tao Ambohitsitakatra ; andao aloha ireo no horesahana . Hita ao amin’ny tantaran’andriana , nosoratan’ilay mompera vazaha nalaza iray izy ireo . Fanontaniana mipetraka dia ny hoe : Nahoana no lovantsofina telo samihafa no nanehoana ny fiandohan’ireo vazimba teto Madagasikara ; fa tsy iray ihany ? Raha ekena fa marina ilay lovantsofina nangonina ; dia afaka nionona tamin’anankiray tamin’izy telo isika , saingy tsy izany no zava-nitranga fa napetraka ihany izy telo , mba ho vavolombelon’ny tantara . Noho izany dia nisy fisalasalana teo amin’ny mpitantara sy ny tantaraina . Raha mijery sy mandinika anefa ny mpikaroka ; dia mahatsapa fa miafara aty amin’ny Rangita sy Rafohy ihany izany . Ny fiandohana na ilay nipoirana , no mety niteraka fisalasalana tamin’ny mponina fahagola . Ny tantara hafa dia maneho , fa Andrianamponga , no loharano nipoirana vao Andrianamboniravina ; kanefa ny hafa indray milaza ; fa Andrianizinizina no lohany , vao Andrianalinalina , izay vao Andrianamponga , nanjaka tao Fanongoavana . Jereo tsara ary ity tantaraiko ity , Andriandravindravina , tao Ambohitsitakatra ; izay ao avaratra . Niteraka telo izy io ka = Andrianoranorana no lahimatoa , any Maroantsetra ; Andriamanjavona , izay ao Angavo no faharoa ; Andriananjavona kosa no fahatelo , eo Angavo andafy atsimo no misy azy . Araho ny tantara , fa io Andriamanjavona io no niandohan-dRangita sy Rafohy . Andriamanjavona dia nanambady vehivavy atao hoe , Andriambavirano (20) avy any an-danitra hono . Izy ireo indray no niteraka an-dRazanahary izay vehivavy sy Rafaravavy , vehivavy ihany koa . Io Razanahary io ; dia niteraka telo : Andriampandrana ,izay nonina tao Ampandrana sy Rafaramahery tao Ampandrana ihany koa , ary Ratsiseranina , izay nonina tao Andraisisa ; etsy atsimondrano . Andriampandrana , arak any tantara ihany ; dia niakatra tao Analamanga fahizay . Nanorina orimbato lehibe tao an-tampony izy io , ary mbola ao izany ankehitriny ; ka lasa Ambatondrafandrana , ilay misy ny lapan’ny fitsarana fahizay . Rafaramahery indray , niteraka an-dRamavobe ; ary Ramavobe kosa niteraka an’Andrianamponga . Andrianamponga niteraka an’Andriandranolava , izay nonina ao Ambatomanoina sy milevina ao . Io Andriandranolava io no niandohan’ny fanjakana ifanoavana , izany hoe : “ Ny Zoky no ampanjakaina , fa ny zandry kosa no ampanoavana = Tsy manjaka ”. Io tetiarana io ; dia niafara toy izao : Rafohy tetsy Merikanjaka no niteraka an-dRangita tetsy Alasora . Ireo Andriambavy roa ireo no niandohan’ilay fitenenana hoe : “ Ny Alakamisy an’Andriamanelo , fa ny Zoma kosa an’Andriamananitany ” . Izy ireo ihany koa ny niandohan’ny “ Fanjakana Arindra ” . Rangita no niteraka azy mirahalahy : Andriamanelo sy Andriamananitany . Ny iray voalohany teo Alasora ary ny faharoa tetsy Ambohitrandriananahary . Andrianerinerina , kosa no ambarako farany . Ao amin’ny tantaran’andriana , dia mampiseho fa , zanak’andriamanitra latsaka avy any an-danitra izy ary nilalao tamin’ireo vazimba , tery anerinerina ; izay avaratry Kilonjy . Ny tena marina anefa dia tahaka an’Andriambavirano (20) ihany izy io, ary tsy iadian-kevitra , maha zanaka mpisorona Naacals azy io . Ry zareo ireo mantsy dia mpivezivezy nitady toerana nandosirana na ihany koa nivelomany . Mifanohitra araka izany ireo lovantsofina , nataon’io mompera , izay nanoratra ny tantaran’andriana , voalazako tery aloha io . Tena mifanohitra sy mifanalavitra tanteraka mihitsy fa diniho tsara ny tetiarana .(19) *Ireto misy Olana vitsivitsy : Rangita ve no aloha sa Rafohy ? . Ny mpitantara ihany koa ; dia milaza fa talohan'ny nanjakan-dRabiby sy Andriamanelo tamin’ny taonjato faha - 16 : 1501 - 1600 , no efa nisy vazimba teto araka ny fiheverany . Rabiby, mpanjaka arabo, sy Andriamanelo, mpanjaka maley mantsy no navahan'ny lovantsofina fa Arabo sy Maley ary ireo olo - mainty mpanompony no angaralahy, fa ireo sisa efa nonina taty anivon - tany tamin'izany dia vazimba. Ary Rabiby no nanenjika voalohany ny vazimba sy nanosika azy handositra. Araka ny tantara, ireo mpitondra fanjakana Maley sy Arabo tonga taty anivon'i Madagasikara ; taty Imerina sy Ibetsileo nanomboka ny taonjato faha -15 : 1401 - 1500 , no nampiasa voalohany ny teny hoe vazimba ; mba hiantsoany ireo mponina efa tompontany taty anivon'ny riaka ; tamin'ny fahatongavany teto . Ohatra amin'izany, Andriamanelo dia voalazan'ny lovantsofina fa Maley, nefa Rangita sy Rafohy izay renibeny dia voalazan'ny lovantsofina fa vazimba. Toy izany koa, Rabiby arabo raha nandao an'Ambohitsitakatra Anjozorobe, dia tonga teo Ankotrokotroka ; tato aoriana vao lasa Ambohidrabiby ; ka nandroaka ireo mponina teo izay vazimba no nahafantarany azy . Arak'izany, ny hoe vazimba dia tsy teny hiantsoana firazanan'olona na fanahin'ny maty akory ; araka ny filazan'ny sasany hoe rehefa maty ny olona sasany dia lasa vazimba ; fa anarana iantsoan'ireo mpanjaka Arabo sy Maley , ireo tompontany taty anivon'ny nosy raha tonga taty anivon - tany ireo Arabo sy Maley ireo tamin'ny taonjato faha - 16. Ary hoantsika eto Madagasikara dia vakoka arkeolojika efa 4000 taona lasa izay no tranainy indrindra hatreto hita teto Madagasikara, manamarina fa efa nisy mponina teto Madagasikara talohan'ny nahatongavan'ny tantsambo Indoneziana teto Madagasikara tamin'ny taonjato faha - 5 : 500 - 401 ; talohan'i Jesosy Kristy . Ny vokatra arkeolojika taty amin'ny ila - bolan - tany atsimo farany dia mitarika ireo mpikaroka hametraka petra - kevitra ; fa efa aman’aliny taona no efa nisy mponina teto Madagaikara. Izahay moa dia mamerina hatrany fa ireo mponina voalohany teto Madagasikara dia efa mponina teto Madagasikara hatramin'ny nisian'ny olombelona ary " Tompon - tany " no niantsoana azy ireo. Tato aoriana dia nisy ireo vahiny vaky sambo tamin'ny morontsirak'i Madagasikara no nijanona nitoetra teto Madagasikara sy nifanambady tamin'ireo Tompon - tany . *Voalaza ; ary azo ekena fa ny : Taimbalimbaly sy ny Tainondrinondry ary ny Kimosy , izay efa voatantara tery aloha no olombelona voalohany teto ; niampy ny Kalanoro . Raha ny hevitro dia : tsy vazimba izy ireo fa ny vazimba dia olombelona mpihavy ihany koa . Azoko antoka tanteraka ; fa ny : “ Naga ” izay niainga tao amin’ny tanin’ny MU , rehefa tratran’ny faharavana io tany lehibe io ; dia nifindra nitady toerana tany Birimania sy India , tamin’ny fito alina taona . Resin’ny “ Uighurs ” , izay fotsy fihodirana izy ireo ; mavo ny volony ary mazava ny endriny no manga ny masony . Izy ireo no nandresy ny “ Naga ” , ka nahatonga azy ireo nitsoaka sy nitady toerana hafa indray . Niditra teto Madagasikara izy ireo ary nifangaro tamin’ireo mponina teto. Ny “ Tamils ” dia mainty fihodirana , niala tao “ MU ” izy ireo , ary nifindra monina tany India , ihany koa ; vao lasa tany Amerika sy Afrika . Niditra an-tsokosoko tany amorontsirak’i Madagasikara izy ireo , nifangaro tamin’ireo vazimba efa tonga talohany . Ny vazimba araka izany dia mponina tao Afrika tao ihany ; ary : “ Tamils ” niova ho vazimba , rehefa tafaharo tamin’ny mponina tao Afrika tao . Tsy azo adinoina ; ihany koa ireo Maya izay nivoaka ny faritra nisy azy ; dia ny : “ Kara = Carib = Karians ; tena fotsy fihodirana ry zareo , somary olioly voly kosa , teo atsinanan’ny “ quetzals ” no nisy azy ireo , avy eo nikisaka nitaty toerana tany Bresila . Roa arivo taona lasa izany ; ary tsy tamana tao , noho ny ady dia nifindra tao “ Perou ” . Niofo ho “ Chanca ” , indray ny sasany tamin’ny “ Kara ” rehefa tonga tao ; tsy tafatoetra tao indray ka lasa taty Afrika avaratra : Egypta …Izay nanjary “ Hélèces ” indray ireo Kariana ireo . Ny Grika ihany koa ; rehefa niely ivelan’ny Fireneny dia nanjary , natao hoe : “ Hellene ” . Mitovitovy amin’ny “ Hélèces ” . Izany no manam-porofo , fa ireo Arabo Afrika ireo , dia tonga teto Madagasikara ihany koa ary nitady fanjakana sy nionona tamin’ny asa varotra intsony . Ireo Malagasy tafaharo tamin’ireo vahiny ireo; dia nisy namindra ny volon-kodiny sy ny volon’endriny ; kanefa tsy nampiova kosa ny kolontsaina tafaray sy tafa-kambana . Taty amin'ny faritra Ihorombe sy tany amin'ny faritra Masikoro no tena betsaka vazimba indrindra teto Madagasikara ary nisy karazana vondron’olona hafa ihany koa ; tany amin'ny faritra avaratra andrefana sy atsinanana ; fa taty amin'ny faritra atsimo no tena nisy vahoaka betsaka kokoa. Ny fisian'ireo vondron’olona rehetra ireo teto Madagasikara dia tany amin'ny taon-jato faharoa na fahatelo : 201 - 300 ; talohan’i J.K ; fony Madagasikara mbola niraikitra , tamin'ny kaontinanta iray ka rehefa nisaraka taminy ny nosy Madagasikara dia niaina tao ihany ireo foko ireo nantsoina amin'ny teny vahiny hoe : « Pygmé ». Rehefa tonga teto Madagasikara voalohany ny tantsambo mpanandro Arabo dia nahita maso an'ireo vahoaka ireo fa saingy manjavona dia miseho ka nantsoin'ireo Arabo ireo tamin'ny teny vahiny hoe : « Maliginash » = inisible ; disparu » satria tsy fantany ny anarany.Tamin'izany fotoana izany dia mbola tsy tonga teto ny vahiny Indoneziana sy Maleziana ; ary mbola tsy betsaka koa ny vahoaka tamin'ny sisiny morontsiraka atsinanana. Rehefa tonga tamin'izay ny andiany voalohany tamin'ireo vahiny Indoneziana dia niharo tamin'ireo vazimba . Nisy fizarany maro toy izao ny vazimba teto Madagasikara : nisy ireo niaina tany amin'ny morontsiraka, miaina amin'ny rano ary nantsoina hoe vazimban- drano , manjono na mihaza trondro ny ataony ka izy ireo no namehy ny morontsiraka Atsimo Andrefana sy Atsinanana. Nisy koa ny vazimba an - tety, izany hoe miaina an-tanety na ambony bongo ka nahitana azy ireo dia tany amin'ny manodidina ny Betsiriry afofoan'ny Nosy. Nisy koa ireo vazimba niaina tany anaty lava-bato, atao hoe vazimba Antatsingy , niaina tany amin'ny manodidina ny Tsingy Bemaraha any Andrefana sy taty amin'ny faritra Ihorombe Atsimo. Araka ny tantara dia karazan'olo masina ny vazimba , ary rehefa maty ny vazimba dia mipetraka eny amin'ny toerana maro ny fanahiny na eny an-drano, na eny amin'ny vato na amin'ny vodin-kazo. Araka ny finoana ny malagasy dia mbola miaro ny tanindrazana sy mitahy ny taranany ireo vazimba lasa ko razana. Ny vazimba araka izany dia niaina sy velona teo anelanelan’ny taona 400 - 1610 . Olona ihany fa ny tantara no namadika ny zava-nisy (21) . Ho fanatevenana izay efa voalaza tery ambony dia nantsoina hoe vazimba ireo vazimba noho izy ireo resy an' ady tamin' ny fanafihana nataon' ireo mpiavy tonga taty aoriana , izay azo lazaina ho ireo razamben' ny fanjakana Merina na Betsileo. Azo rasaina toy izao ny teny hoe vazimba : voazimba , izany hoe very hasina satria resy an' ady. Niova moa ny teny manaraka ny andro ka azo heverina araka izany fa avy amin' ny teny malagasy hoe voazimba ny teny hoe vazimba. Tsy marina araka izany ny filazana hoe olona fonentana ny vazimba na izay fomba hafa nanoritsoritana azy amin' ny endrika fanaratsiana. Noho izy ireo very hasina no nahatonga ny olona manaratsy ny vazimba toy izany satria heverina ho toy ny olona ambany saranga ny olona vazimba na voazimba. Vahoakan' ny ala ihany koa anefa . Ny teny hoe vazimba araka ny fiheverena dia mety ho avy amin'ny teny daiaka sy maley hoe wa-yimba izay midika hoe : vahoakan' ny ala . Ireo vahoaka tany amorontsiraka kosa dia nantsoina hoe vezo na bejo avy amin' ny teny maley hoe : bajao. Ny teny hoe : “ wa na va ” dia midika andian' olona na vahoaka madinika. Niaraka tonga ny vazimba sy ny Vezo saingy rehefa nahita ny vazimba fa tsy azo ambolena ny morontsiraka dia niakatra am-povoantany izy ireo . Atoa Charles Etienne Brasseur Atoa James Churchward (18) = Filazana hafa indray : Nalaza eto amintsika hatramin'izay ny tantaran'ireo Vazimba satria tantarantsika malagasy, ary toa ho lasa angano angano ilay izy kanefa zava-nisy. Ny Vazimba dia karazan'olona nisy voalohany teto Madagasikara, tsy izy ireo ihany anefa fa nisy koa kazana foko hafa niaina tamin'andro ny Vazimba dia ireo foko « Fonoka » sy ny foko « Lakoka » ka ny fitambaran'ireo foko ireo no antsoina hoe foko « Gola » avy any amin'ny faritr’ Isandra, faritany Fianarantsoa . Raha ny toe-batany vazimba no resahina dia nofaritana ho toy ny kely ny habeny vatany ary mainty hoditra sy ngeza karandoha, ary fisaka handrina, sy be molotra ary lava nify; ary mitovy amin'izay koa ny foko Gola. Nahatsapa tena ireo foko Gola fa ho voazanak'ireo vahiny dia voatery niady tamin'ireo vahiny izy ireo , kanefa resy ary naripak'ireo vahiny niaraka tamin'ny Vazimba ho rava ny taranak'ireo vondron’olona Gola manontolo ; ka tapitra ritra hatramin'izao. Izany no mahatonga ny fitenintsika Malagasy milaza hoe tamin'ny fahagolan-tany . (19) = Ny taon-jato faha 14, ny taona 1300 - 1320 , dia Andrianerinerina : no nanjaka teto Imerina voalohany. Nodimbiasan’Andriananjavona : 1340 - 1350 izay nifidy an’Angavo Atsinanana, hanjakana. Andrianamponga : 1350 - 1380, indray avy eo no nanjaka ka nanorina ny fanjakany tao Fanongoavana, izay nodimbiasan’Andrianamboniravina: 1380 - 1400, izay nanjaka tao Ambatondrakoriaka. Andriampandrana : 1400 - 1420 , kosa no nandimby azy ka nifidy ny tao Ampandrana atsimo , hanjakany, ary nifandimby nitondra sy nanjaka teto Imerina fehizay ny taranany: Ramasindohafandrana : 1440 - 1450 Rafandramanenitra : 1480 - 1500, izay naka vady an-dRafaramahery, ka niterahany an- dRangita : 1500 - 1520 , ary Rafohy : 1520 - 1540, nanambady an-dRatsiseranina no namarana ny fanjakana tao Ampandrana ; satria izy dia nanorina ny fanjakany tao Imerimanjaka. Ny taranak’i Andrianamboniravina sy Andriampandrana no niandohan’Imerina izay nandova fanjakana, fa ireo taranaka izay nanoa kosa dia lasa namonjy an’i Bezanozano sy tany Maroantsetra; dia ny taranak’i Andrianoranorana sy Andriandranando . (19) = Ireo Vazimba nalaza : Andriantsimaitoandriamanitra ; Andriasongaina; Rafotsizokiandriana . Izy ireo dia Razamben’Antehiroka .Andrianankatso , izy kosa dia vazimba tao Ankatso ary milevina ao amin’ilay hadivory atsinanan’atsimo an-joron’akoho. Mpiandry ombin’andriana. Baroa izay milevina ao Andraomara avaratr’Ambohimalaza. Misy maro izy ireo fa ireo no nalaza . (20) = Tsy miolaka ny fikarohako , fa anisan’ireo zanaka mpisorona atao hoe : Naacals tany amin’ny tanin’ny MU , io Andriambavirano io ; satria mahay momba ny majika sy ny fanandroana ary ny fahaizana hafa . 1.3.2.1 . Ny Maha izy azy : hitohy tsy ho ela
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hafahafa-toetra
HAFAHAFA TOETRA
AORN
Injao fa mitomany Mifokofoko irery Lay zaza an-tsisin-dalana Kamboty velon-dray Tsy manan-kianteherana Tsy manam-pahafahana Fa etsy an-kilany etsy Lay zandry menavava Tafiana lamba rovitra Tezain-drazoky vavy Torevaka sy noana Mijaly sy mangovitra Dia iny lay mpivavaka Nivoaka ny fiangonana Nandalo dia niserana Kanefa ireto zaza Namelatra ny tanany Tsy nisy zay nitserana Fa tonga koa avy any Zatovo maromaro Mitondra mofomamy Tsy nojereny akory Reo tanana efa ngoly Mangataka etsy ambany D’injao mipitrapitra Mitelin-drora fotsiny Tsy misy iray mitsetra F’ireo zay nangatahana Tsy mahafoy akory Fa hafahafa toetra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eny-an-tsisi-maso
ENY AN-TSISI-MASO
Fredy Jaofera
ENY AN-TSISI-MASO Eny an-tsisi-maso, mbola misy ranomaso mandena ny tarehy tsy mba mihomevy fa manana alahelo ito fo mamelovelo mampahory fatratra raha toa manafatra ary tsy mahay misava fa mitoetra lalandava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsofiko-rano
TSOFIKO RANO
AORN
Tsofiko rano hahita ny mamy zany havako zany Ho tody amy tanjona efa niriana, ho tojo zay tiana Ny lalana Mbola hodiavina etoana, dia mila fotoana Tsy mora ny sakana sy sotasota ka aza manota Mety mandalo hakiviana mazàna, ka sao tsy tamàna Toneo tsy hisendaotra ny fo sy ny saina ndrao manapak’aina Ny velona manko tsy alan-dromoromo zay mety mamono Fa fanantenana no atao ao an-doha, fantaro mialoha Ny fiainana mantsy mihodina hatrany f’zay no eto an-tany Fa sedra sy ankaso no hamely tsy satry ka mila tsy ho tanty K’andeha zatsy izy …tongava any am-para, ho tojo ny anjara Tohanako an-tsaina sy am-bavaka koa, ho tafita soa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mo-zo/teny
Teny
Mo-zo
Teny tsotra tsy mba hoadinoana Teny kely kanefa inoana Tsy voatery tononin'ny vava Fa fihetsika dia mahavoazava Teny mora tononina ihany Kanefa tsy mety voavaly Teny mafonja tsy manam-paharoa Fa dia mifikitra tsy afak'andoha
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/dada-ihany
DADA IHANY
IALY NOFY
DADA IHANY Raha tonga teto an-tany Ka nanomboka niteny... Nibadabada niantso Dada, Io no tao am-bava . Izy no natao hamelona Hahatonga anay ho olom-banona . Dada ihany,Dada indray... Izy no mikarakara anay . Raha jerena amin'ny fo tsy miangatra Tsy mba taitra firy , toa tsy rototra . Mijery lavitra ...tsy mitsinjo ny ho avy , Izay i Dada ....Tsy mety ho kivy . Dada a , na lavitry ny ankaso Na vonto ny alahelo ...Miampy ny tarazo Mijoro foana Dada ...Lavitra taraina Manantena ny ho tafita . Ho lehilahy mahery Hitory an'i Jesosy Atombony ato an-trano Ho reherehan'ireto zanako. Ho faranako ilay amboara Ilazako ny tantara Raha i Ddada no lazaiko Tsy ho foana ny ato an-tsaiko Mankasitra ry Dada Tsy ho foana ny anatra nambara Mivavaka ho anao ...Ho eo anilanao Aza mitomany Dada , ho ela velona Hoy ity zanakao Ho an'i Dada ANDRIANARIVO Fanomezantsoa Raphael
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/iny-volana-iny
INY VOLANA INY
AORN
Iny volana iny tazanina avy lavitra No seram-pifandraisan’ny foko sy ny anao Rehefa te handinika ny tarany maharitra Dia indro fa miampita lay hery miha-vao Ny hafatra nalefako, moa efa lasany any Inoako fa ho tonga tsy hoe ela eny aminao Miaro sarin-teny lay tsiky sy tomany TSy sarotra fantarina ny Felana sy taho Fa iny volana iny, mazava manjopiaka Mizara hafaliana ho ahy sy ho anao mitambatra Ny tarany manopy lay endrikao sariaka Mitondra lay fitiavana mamehy antsika ho sambatra Satriko ny hitoetra hibanjina maharitra Lay volana mirehitra baliaka sady soa Ny saiko no mametra, ny foko tsy voafaritra Hamerina indray lay dinantsika roa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mifaningotraina
MIFANINGOTR'AINA
AORN
Rehefa sambatra izy, d’zay no hasambarako Mantsy efa mafy loatra ny fiainanay ety Fa efa tsinjoko any ny lalan’ny tantarako Tsy avela mba hisambatra ny hatsaran’ny fitia Rehefa maloka izy, d’izaho no malahelo Fa fantatro avy hatrany ny ratra avy ao am-pony Ny angolangolan-tsentony, no injao mamelovelo Sakanana tsy ho tia, salorana lonjony Raha sendra ka tomany, marary koa ny foko Tsy tantiny mihitsy ny sotasotam-piainana Manjary latsa ho azy, reo eso maro loko F’ireny no mitambatra ho zary fitarainana Ny tsilo zay mandratra, mangoly ny fanahiko Dia lasa ratra miafina, hanorim-paka lalina Lay fatran’ny fitiavany Zay tsipika narahiko Mifono mistery zay sarotra fantarina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/tena-tia
Tena Tia
Rabarison Roberto Stephan
Malala o ! Na marary ary aho Dia ny foko tia anao Tsy anio ihany anefa izany Eny tiako ianao , hatrany am-parany any Malala a! Mba renao ve ny foko mitepo Toa tsy mety tony fa tena reko Hoe tia anao aho, tena diso tia Ka hiaraka aminao aho, eny ho doria Malala ho'aho ! Mba fantatrao ve fa ianao tena tiako Ka mandrakizay ianao tsy ho ariako Fa ho tiaviko foana ato anaty Hiaretako avokoa ny mangidy, izay tsy tanty Malala kosa e ! Izaho anie tena tia eh... Ka aza avela irery fa tsy mahatokan-dia Fa te ho tantananao foana Eny mandra-pahatapitry ny fotoana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/fiainana-an-tany
FIAINANA AN-TANY
IALY NOFY
FIAINANA AN-TANY Ny Fiainana eto an-tany Dia misy tsiky sy tomamy . Mety hisedra ny mafy ianao ; Fa fitsapana ihany izany . Ny Fiainana eto an-tany Maro fisedrana ihany . Ao ny tsiky hifaliana ?! Ao koa anefa ny tomamy sy ny fijaliana . Tsy hoe, lahatra ny fahoriana Ka izany no hakana aretim-po . Aza kivy ....eny foana ; Fa izany ange ny fiainana. Ny aty an-tany mantsy Ahitana ny hakiviana. Tsy lahatra hoy aho ; Fa izany no fiainana eto an-tany . Aza arahana alahelo Fa ny hoavinao banjino . Araho tsiky avokoa ; Na tsiky sy tomamy " Fa ny tsiky dia harena ho an'ny rehetra"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mo-zo/tsy-sahy
Tsy sahy
Mo-zo
Tsy sahy aho raha anambara Hoe manam-pitiavana anao Tsy sahy aho ny hiantso malala Matahotra atao kilalao Rehefa matazana anao Dia mivatravatra ny foko Kanefa tsy sahy aho , lazao Matahotra ny ho toloko Rehefa hiresaka anao Dia iny aho fa mihaotra Tsy sahy aho ka ambarao Fa tena voafehin'ny tahotra Ny fahatahorako ireo No manosika ahy hitia mangina Ka izay tsy hasahiko maneho Ny fitiavana efa hafiriana Ka izao , matoa aho izany mangina Dia matahotra ny ho tsy tiana Ka aleoko tazomina irery Na dia efa mamokatra fery
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsiky-anaty-haizina
TSIKY ANATY HAIZINA
NY Andri-Fara
TSIKY ANATY HAIZINA Noheveriko fa banga ny tontoloko Tsy noheveriko ho solafako ny diako . Mifamatotra amin'ny Aiko ilay tantarako , Kanefa vahotra toa miahotra mangovitra..., Ilay malala mba nantenaina nanolotra lamosina Ireo mpiara-miasa nandatsa tsy ankolaka . Ny namana rehetra nandoro ny fisiako ! Izay rehetra nanodidina ahy vinitra sy tezitra . Nahoana anefa ....Kanefa tsia ! Ny foko sy ny saiko ...kely tsy ampy hery ..., Ireo nangoniko rehetra tsy nisy izay tadidiko. Nahoana hoy ianao , tsy vintana an-tery ! Mampiteny irery ...Mampitranga alahelo . Ho zakaiko ve kanefa inona no ataoko ...; Ny amiko rehetra tsy hita hoe ahoana ?! Iza no andrasako handamina ny olako Na ny alina aza ; tsy nizara tsiky intsony . Alahelo nitambesatra tsy niombonako aminy Efa irery hatramin'izay , dia irery foana ve! Aiza ny indrisy nahoana kay no misy... Efa mitambotsitra mandatsa izay tsy nisy Fa ny vady andefimandriko aza..., Tsy mijery ny fisiako, tsy mahalala ny ato am-poko Ry alina o! aiza moa ny tsikinao andrasako Ny aloka sy Nofy ...Ny tsiky sy tamberina Namerina sangodina nisangodina ato an-tsaiko ... Na ny zanako , toa tsy mijery ...tsy te ahita ny fisiako Fahatsiarovana nangidy eritreritra nandalo Embona nafaitra tsy ho fisarahana angamba. Ampandrianomby . 11 Ora sy 08 minitra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/zandry-a
ZANDRY A
IALY NOFY
Zandry a! Aza mora mitanondrika Fa mbola maro ireo hoavy banjinina Ka sao dia reraka ao Ilay hery nikoloana sy nizaka ady mafy Zao kia ry zandry a ! Io fiainana lalovanao io Tsy mba misangy aminao Fa ny tanjona atao ambony Dia ho mpandresy ianao Fa izay ry zandry No mba hafatrafatra aty Ka mahereza foana Fa ilay fiainana tsy mora .............................................. IALY NOFY
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-tena-namana
NY TENA NAMANA
AORN
Ny tena namana… Tsy mandao anao hatrany amy ny andro tena sarotra Tsy mila sitrany aminao, tsy mitady tombom-barotra Fa mamonjy sy misaina, mba tsy hahatonga anao hivarina Tsy manao zay kajikajy hanafenana ny marina Ny tena namana… Tsy manao ny toky ho fitaka, fa mitàna izay tenenina Tsy misorona miteny, tsy misy zavatra hafenina Fa manoro ny tsy mety, satria fitiavana no ambony Tsy mikoso-maso akory, fa mananatra amy fony
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka-tohiny0
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA , Tohiny
NY Andri-Fara
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA , Tohiny 1.5.3.1 Antampon’ i Vinany [20] Efa voalazako tery aloha ny olana mahakasika ny tantara niandohana , kanefa tsy sakana ho ahy mihitsy ny tsy hanambara , na haneho izay fikarohana nataoko. Nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana sy ny fikarohana ireo vavolombelon’ny tantara tamin’ireo taranaka maro nifandimby . Ireo taranaka ireo dia iray tsy nivaky , aty amin’ny laharana fahaefatra sy fahadimy no ahitana azy ireo . Tena tsy mitovy mihitsy ireo lovan-tsofina ireo fa ny iraisany, dia maneho ny maha tompon’anaran-dray azy . Efa nambarako fa ny lova-tsaina naterakin’ny lovan-tsofina no tena zava-dehibe . Araho ny tantara : Ny taranaka an-daniny dia maneho fa nanana vinanto roalahy ny mpanjakan’Ambositra dia : Rasaminjato . Tsy hay ny tantarany sy ny momba azy , ary Ramanandrovola . [21] Ny taranaka ankilany kosa dia mampiseho fa Ramanandrovola dia , nandray ny toeran’ny zanakin’ny mpanjakan’Ambositra .[22] Talohan’ny nanafihan’ny mpanjakan’Imerina taty Ambositra , dia hoy ny mpanjaka mantsy an-janany : « mbola hisy ihany ve io toerana io » mantsy an’Antampon’i Vinany [23]. Eo andrefany somary miatsinanana dia Antety , io tendrombohitra nanatrika azy io izany . Ramanandrovola no nidina sy nonina teo , taty aorian’ny fanafihana niharo fitaka nataon’Ilaidama teto Ambositra.Teo amin’ny toeran’ny residence ankehitriny io izany, teo no naminaniany ; ny hisy ny taranany rahatrizay ; toerana izay nahalasa vinany ny andriana. Natsangany ary nataony teo ny fonenany, izay no nahatonga ny toerana eo ambony avaratry ny « Residence » ho « Avaradrova ». tao izy no very anarana ho Rainilango , noho ny zanany lahimatoa. Rehefa resy Ambositra dia very ny fiandrianam-panjakany ka nipetraka ho Hova na andriana tsy nanjaka izy , na izany aza anefa dia maro ny mpanompony sy ny vahoakany no tia sy nanaja azy. Ao Antampon’ny Vinany, ambanin’ny « Residence », dia nisy vato roa lehibe, teo no vavahady nidiran’ireo ombiny marobe na « Lozoka », ao ihany koa no misy ny tafoton’andriana, mbola ao io tafotona io fa tsy misy mahita.Ny tafotona dia fanafody gasy, natao hiarovana an’io toerana io ary teo amin’ny sisiny roa teo no toerana nametrahana azy. Ny « Gite d’Etape » ankehitriny dia valan’ombiny, toerana saro-pady izy io na tamin’ny androny na amin’izao fotoana izao, ary avy amin’io lozoka voalaza teo aloha io no miditra sy mivoaka ireo ombiny ireo , ary ny mpanompony ihany no tompon’andraikitra amin’izany, izay entin’izy ireo ho any atsimo mba hiraoka ahitra. Ampanidy , io toerana hiandrasana ny ombin-dRamanandrovola io ka rehefa hariva kosa ny andro , dia teo amin’ny toerana misy ny « Residence » ny andriana no nanisa ny ombiny. Ralango zanany lahimatoa, izay nahavery anarana ny rainy dia namonjy an’i Lohalambo ao Ambahinaondry , izay nanorenan-dRaonivelo sy Renikibo zanany sy zafikelin-dRamanandrovola ny fonenany. Io Ralango io dia niray fasana tamin-dRainy, tao Akrokana, ambanin’ny fasam-bahiny fa taty aoriana dia nalain’ny taranany. Io fasana io dia misy vatolampy iray lehibe misy haavo 4 na 6 metatra eo ho eo, ary ny sakana manodidina azy dia tsilo izay mirefy eo amin’ny 2 m. Ny haben’ny vato kosa dia sahabo ho 2,500 m eo ny sakany ambony ary 4 m kosa ny sakany ambany. Tao anatin’ny 8 taona vao vita io fasan-drazana io , ary namonoana omby iray isan’andro ; izany hoe : omby 2920 izany no maty raha 365 andro ny taona iray. Ankehitriny noho ny taranaka maro efa nanambady foko hafa dia nanam-pikasana ny hanao lavarangana ny taranaka [24]. ireo raiamandreny mbola velona, rehefa miala ety an - tany ka hody vovoka. Tamin’ny taona 1942, dia tonga teto Ambositra Atoa « Layette » izy dia lehiben’ny distrika ( araka ny filazan’Atoa Rakotorahalahy Joseph avy ao Ambohimiadana, taranaky Ralango) fa i dadabe Ralaivao Emilson , kosa dia nilaza fa Atoa « Turckee » no lehiben’ny distrika tamin’io taona io ihany, izy dia taranaky Rafaralahy Emmanuel , samy zanaky Ramanandravola izy roalahy ireo fa ny iray an’ny lahimatoa ny iray kosa an’ny faralahy ; izany hoe : zafiafin-dRamanandrovola na Atoa Rakotorahalahy avy ao Ambohimiadana na i dadabe Ralaivao , avy ao Sud Caserne. Namoaka didy ny fanjakana mba hanaisotra ny razambe rehetra tao Akrokana eo ambany andrefan’ny tanànan’i Manarintsoa , fa ilain’ny fitondram-panjakana frantsay , izay nifehy teto Madagasikara ny tany, mba hanorenana fasam-bahiny. Niady ihany Rafaralahy Emmanuel , fa tsy nahatosika ny didy ny anao lahy tsaroany anefa ny tenin-drainy nanao hoe « tsy miala tato aho raha tsy tendrim-panjakana » . Nanomboka tamin’io taona 1942 io , dia samy naka ny azy ny taranaka rehetra, ka Ralango araka ny voalaza tery aloha dia nalain’ny taranany ao Ambohinaondry, ao izy no milevina ary tsy nahetsika ao intsony. Ny androny 19 Aogositra 2008 izy no nananteran’ireo taranany ao Ambohimiadana sy ny any am-pielezana rehetra any, ilay ataon-drizareo hoe : « Taty fotsy na lamba fotsy ». nahavory vahoaka io fomba io ; ankevitrin’ny famadihana ihany angamba rah any fahafantarako azy satria tsy novelarin’ny taranany loatra izany . Fa matoa nahavory olona dia azo heverina ny maha famadihana azy na ihany koa fahatsiarovana . Eo ambany avaratra ilevenany dia misy vato monina, miankina amin’ny tendrombohitra iray atao hoe : « Ambatondraramonjo » izy io dia fitainana (fitaignagna an-drovana ny andriana) izany hoe eo no mitanin’andro ny andriana. Io toerana io no lasa EPP Raramonja. Ny Sabotsy hariva tokony ho tamin’ny 5 ora teo ho eo no nitsatoka tao amin’ny tanànan’ny Dadabe ; ao atsimon’ny lakazera ny 06 Septembra 2008 , izahay 3 mianaka kely. Raberanto Fidson Dina Tantely ; vady malalako sy Andrianarivo Tantely Ialy Nofy Meva Miangoty , zanakay ; izay vao 8 volana monja. Nisy ny fotoana izay niakaranay sy nanitsahanay ny Rovan’Ambositra voalohany indrindra teo aminay taranak’i dada, tao anatin’izay 40 Taona izay , ary koa nanitsahana an’Andriamamahana . [ Tsy nanitsaka ny fasan-drazana tao Akrokana kosa anefa izy mianaka fa niandry tery amin’ny arabe ambany , tsy noho ny tahotra fa noho ny fanajana , amin’ny maha hafa firazanana azy fotsiny ...; na dia izany aza anefa dia nahazo tso-drano tsara avy amin’ireo ray amandreny izy : Hoy mantsy i Dadabe : « Ianao…ianao anaka no vinanto voalohany tonga taty aminay, sady zanaky ny zafikely voalohany amin’izy rehetra ». Izaho nanoratra sy nikaroka ny tantara mantsy no zafikelin-dRandrianarivo Emmanuel, zafiafin -dRalaivao Emmanuel , voalohany indrindra ihany koa. ( Matory eo am-pandriana efa reraka io ray aman-dreny be io tamin’izahay nitsidika azy io ).] Izay ny amin’iny fa raha hiverenana kely ny namindrana ny razana ho eny Akrokana. Iray volana mahery be izao no fe-potoana nomena, notetezina avokoa ireo taranaky Ramanandravola rehetra, momba ny hamindrana azy. Vahoaka maro tokoa no nanatrika teo, na olona ambony teo amin’ny firenena na ny tompon’andraikim-panjakana tao Ambositra, Sivily sy manamboninahitra miaramila ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Volana Aogositra tamin’izany, fotoanan’ny erika ka nanerika ny andro. Notombohin’Ingahy Ralaivao Emmanuel ny tany, nisava ny andro ary dia niroso teo amin’ny famindrana ireo razambe ny taranany. Roa ihany no nambara tamiko momba ny fasana dia ny ao Akrokana sy ny eny Ambalamahasoa. Ny isam-pianakaviana anefa dia samy manana ny fasany avy. Eto dia ialana tsiny raha misy razana tsy voasoratra noho ny fahateran’ny mpitantara, amin’ny fotoana mahamety azy dia asiana tovana ity boky ity ; koa eo ianareo fianakaviana hanampy ny tsy ampy. Ny fasana ao Ambalamahasoa : Io dia fasam-bato lehibe ka ireto ny razambe milevina ao : Rafaralahy Ravelona Ralaikamisy Ny fasana ao Akrokana : Izay fasana lehibe manana ny tantarany izay voalaza tery aloha ; Ireto koa no milevina ao : Ramanandrovola Rajoseph Rakotofaralahy Randrianoelina Razakarison Rafalimanana Rafaralahy Berthin Ravoniarisoa Ireo nalevina any am-pielezana kosa : Randrianarivo Emmanuel, Dadabe kosa milevina any Diego. 1.5.3.2 Ny Nahatonga ny « Hobonobogna » : Avy amin-dRamanandrovola no nahatonga ny taranany ho « Hobonobogna » Ny antony : « Raha manana na tsy manana dia hobonobogna ao » io no fiovana fahatelo, talohan’ny Zafindratrimo sy Zanakimpanalina izay nialohavan’ny Zafirambo. Ireo avy ireo tanàna sy vohitra misy ny taranak’izy sivy mianadahy : Ny ao Ambositra :Ambohinaondry ; Nord Caserne; Antanandalana ; Ankilahila ; Ambalamahasoa; Ankona; Taitafika ; Isamina ; Ambodihady ; Ankorombe ; Andriamamahana ; saha ; Ampivarotanomby ; Ambohimiadana ; Talaky Ambohibaty ; Ankatsaka ; Ankazotokana ; Manolotrony ; Atsimon’Ampila ; Ambala ; Ampananjanana ; Atsimondrano ; Ambanivolafotsy ; Ambohijaza ; Dista ; Sud Caserne ; Sahamamy ; Ankazotany Ambatomenaloha ; Amongy ; Andraimbe ; Ny ao Ambatofinandrahana ; Ny ao Fandriana ; Ny ao Fianarantsoa Ny ao Toliary ; Ny ao Antsiranana ; Ny ao Antananarivo : Ivato. Ivandry. Ambatomaro. Antohamadinika. Tsarahonenana. Andraisoro. 67 Ha. Bevalala ; Ny ao Antsirabe ; Ny ao Mahajanga ; Ny ao Toamasina ; Ny any Frantsa ; Ny any Amerika . Miparitaka maneran’izao tontolo izao ny taranaka . 1.5.3.3 Ny Nahatonga ny « Zazafotsy » : Fahizay, rehefa tonga ny fotoana ny asaramanitra ho an’ny andriana dia naniraka ny olony sy ny mpanompony, haka omby iray. Nampitandremany fa tsy azo vonoina na alaina ny omby « Valanary » izay filohan’ireo ombin’andriana ireo . Niaraka tamin’ny olona teny anefa ny zanak’andriana , ary izy no nahatafiditra sy namono ny omby, natao ary ny famotorana, ka ny zanak’andriana no tratra, nandrahoina ny omby, rehefa masaka ny hena dia natsofoka tao amin’ny vilany be menaka mahamay ny tanany, nijafajafa sy nikiakiaka nitomany ny zanak’andriana ary niova endrika ho fotsibe teo ny tanany. Nanomboka teo dia fady azy ireo ny omby « Valanary » noho ny ozona natao tsy hiompiana ary tsy ihinanana azy. Toy ny bory tandroka, vanda mena, rango tratra, ireo taranaky Ralango , hoy Rakotorahalahy Joseph , nitantara tamiko , no fady izany . Ny omby « Valanary » dia misy pentina fotsy ny tratrany. Misy amin’ity tantara iray ity koa anefa nambaran’i dada tamiko : Tsy naharitra ny fandroatran’ny sakafo ity zanak’andriana, ka raha nahita izany dia nikoropaka nibata ny vilany feno arina, izay fady teo amin’ny andriana ny mikasika azy. Gaga ny rainy nahita ny fahasahian-janany , fa ny tompoina indray no manao ny asan’ny mpanompo. Teo dia naetry ho « zazafotsy » izy sy ny taranany ; noho izy tsy nahandry ny mpanompony hibata ny vilany. Ny mpitantara hafa eo anivon’ny fianakaviana indray , dia naneho fa ronono nandroatra io tao anaty vilany io, ny rainy anefa aty ambany rihana nifanandrify amin’ilay fatana nisy ny ronono ; angamba noho ny tahotra handoro an - drainy , no nangalany fanapahan-kevitra sahisahy ka tsy niandrasany ny mpanompony intsony hibata ilay vilany . Ireto avy ireo zazafotsy ireo, ny taranany dia ao « Andraimbe » Nahazo ireto tanàna ireto : Sahamamy ; Tsimitono ; Fiakarana ; Sarigaoka , ary Ampemby Na dia teo aza ny fahasamihafan’ny tantara ; dia iray ihany ny fahamarinanay dia samy. Maneho ny maha zazafotsy azy avokoa satria resaka sakafo no nahatonga azy. 1.5.3.4 Ny « Amontana telo » : Ny Amontana telo dia , ny iray aman-drenin’izy telo mianaka ireto : Avy amin’Atoa Razafimahaleo Herizo , ao Ambatomanana ny fasany, izy ireo dia taranaky ny Zanaposa . Avy amin’Atoa Andrianarivo Tantely, efa praiminisitra teo aloha ; ny reniny ; dia taranaky ny zazafotsy , izay efa noresahana tery aloha . Avy amin’ny Pelanoro ; Rainimainty , izy dia taranaky Ramanandrovola Araka izany dia izy telo ireo no nandrafitra ny Amontana telo . Antony : Ingahy Herizoa Razafimahaleo ; ny rainy avy ao Tsarasaotra ; ny reniny avy any Volazato. Izany hoe : zanak’anadahin’i Bebe Rasoanantoandro , renin’ny Dada. Sady nidi-droa izy avy amin’ny Bebe sy Dadabe Randrianarivo Emmanuel , izay niteraka an’i Dada. Tantely Andrianarivo ihany koa, dia toraka izany ; mandray roa ihany koa ; sady avy eny am-pivarotan’omby , etsy Alakamisy Ambositra ; avy amin’ny Mama no mandray avy amin’ny rafozany Bebe Rasoanatoandro ( Isoavina ) no sady mandova eny Amongy Ambositra. Eo aloha ny fifanambadian’izy ireo nifangaroharo tamin’ny taranak’Ingahy Ramanandrovola . Teo ihany koa anefa ny lova tsy mifindra ; Ao ihany koa ny antony maro samy hafa. 1.5.3.5 Ny atao hoe « Zanaposa » : Izao no nahatonga izany . Fahiny elabe teo amin’ny vanim-potoanan’ny Menalamba ; talohan’ny taona 1899. Nasiaka dia nasiaka io vondron’olona mpikomy amin’ny Frantsay io, nifangaro tao ny menalamba tia tanindrazana sy ny menalamba mpandroba. Natahotra ny olona ka nandositra ny fahavalo, ny mpanenjika anefa nikaroka an’izay mety niafenan’izy ireo, farany nahita zohy anankiray ; ary nisy fosa nalemy tao, noho izany dia nihevitra ireto menalamba mpandroba ireto fa « tsa misy ogna » hoy ny fitarognagna raha nitarogna ry zareo. Noho ireo fosa ireo dia avotra ny olona ary nanao « tsitsina » na « velirano » na koa « voady » tsy hamono fosa ary nankatoavin’ireo taranaka izay hatramin’izao . Fady amin’ny Zanaposa ihany koa ny miteny hoe « hano ny vary » izay tsy nahazoako tantara na dia lovan-tsofina fotsiny aza ; fa teny mba reko teny ho eny. Ny fahamarinany ihany koa ,dia toraka izany; ka aza tsiny amintsika mpikaroka . Ireto kosa ny toerana ahitana azy ireo : Ambohiponana ; Kelikapona ; Andidy Ambonivola ; Ambalavato ; Miadana ; Tsarasaotra . Izay ny amin’ny Zanaposa nisy an’Ingahy Herizoa Razafimahaleo izay nisy ny razambeny. Ny momba ny zazafotsy indray dia efa voalaza tery aloha fa ny tiana asongadina dia Ingahy Andrianarivo Tantely. Ireo razambeny , dia efa nitondra hatramin’izay naha an’Ambositra. Ny rainy no ben’ny tanàna voalohany tao Ambositra. Io EPP ao Amongy io no tsangambato velona nataon’ny taranany sady nitondra ny anarany rahateo. Ny zanany no nitokana azy tamin’ny maha Praiministra ny tenany. Mifanila amin’ilay tanin’i Dada ao Amongy io EPP io. Ny taranany dia ao : Nord Caserne ; Atsinanan’ny Vinany Malakialina ; Hadilalana , izay misy ny CSB II sy ny tobin’ny Zandary. Marihina fa eo ambanin’Ambalamahasoa ; misy farihy atao hoe « Akamory » fady Merina sy vahiny io toerana io, tsy azo hitondrana lamba miloko mena…Misy fasan-drazana iray , izay ihany koa ao , izay efa foana tsy misy razana. Ireo taranaka telo tonta ireo dia fady : Trandraka, Sora, Amalom-bandana. Noho ny Finoana kristiana anefa dia lefy izany fomban - drazana izany. Pasteur Randrianarison , kosa dia zanak’izy mianadahy avy amin’i Bebe Rasoanatoandro , renin’i Dadako . Io Pasteur io no loharano nipoiran’i Docteur Radaniel Richard , izay « Médecin Général » , tao amin’ny Hopitaly Miaramila etsy Soavinandriana - Antananarivo . Ramanandrovola : no andriana , razambe nipoirana Rafaralahy Emmanuel : dia zanaky Ramanandrovola , fahasivy farany Ravelona : kosa dia zanaky Rafaralahy Emmanuel , fahaefatra, zafikelin-dRamanandrovola . Ralaivao Emmanuel ; zanaky Ravelona fahaefatra ; zafikelin-dRafaralahy Emmanuel, zafiafin - dRamanandrovola . Randrianarivo Emmanuel : zanaky Ralaivao Emmanuel , voalohany ; iray ray sy reny ; zafikelin-dRavelona zafiafin-dRafaralahy Emmanuel ary zafindohaliky Ramanandravola . Ravelontsalama Andrianarivo Guy Richard : zanaky Randrianarivo Emmanuel voalohany, zafikelin-dRalaivao Emmanuel ; zafiafin-dRavelona ; zafindohaliky Rafaralahy Emmanuel , ary zafikitrokelin-dRamanandrovola . Andrianarivo Fanomezantsoa Raphael : zanaky Ravelontsalama Andrianarivo Guy Richard , voalohany, zafikelin-dRandrianarivo Emmanuel, zafiafin-dRalaivao Emmanuel ; zafindohaliky Ravelona ; zafikitrokelin-dRafaralahy Emmanuel , ary zafipaladian - dRamanandrovola. Andrianarivo Tantely Ialy Nofy Meva Miangoty : zanak’Andrianarivo Raphael Fanomezantsoa , vavimatoa, zafikelin-dRavelontsalama Andrianarivo Guy Richard, zafiafin - dRandrianarivo Emmanuel zafindohaliky Ralaivao Emmanuel ; zafikitronkelin - dRavelona, zafipaladian - dRafaralahy Emmanuel, taranaky Ramanandrovola faha fito . 1.6.1 Ny taranaky Ramanandrovola : Sivy mianadahy no naterany : Ralango Raiberamanjaka Raonisendry Ravolazandrasa Rainitsia Ratsandramanamparivo Raonisa Ratsaramanana Rafaralahy Emmanuel Indro ary tanisaiko ny taranak’izy 9 mianadahy ary ialana tsiny ho an’ireo tsy voalaza taty amiko. *Ralango : Mirahalahy ny zanany dia : Raonivelo izay tsy fantatra ny taranany sy Renikobo. Renikibo kosa : niteraka an-dRasalamavelo ; Rasalamavelo kosa nanana an-dRazandrimbelo mirahalahy avy. Ao Ambohinaondry , no tanàna nofidian’ireo taranaky Ralango ary ao izy no milevina . *Raiberampanjaka : dimy no naterany dia : Ratsohanina : izay niteraka an-dRenindratsiavahana ao Antanandalana Ambositra . Rainiketaka kosa dimy ny naterany dia : Rapetera, Ravao, Ravelotalata, Ranama, Ramarojaona ; izy ireo kosa dia nanorom-ponenana ao Ankilahila . Rafaralahy Vasiana ; roa ny zanany dia : Ravelonoro ao Ambalamahasoa sy Rasoandrainy . Vehivavy , iray tsy fantatra anarana ; fito ny naterany saingy dimy ihany no fantatra dia : Randrianjafy, Rambita, Rakalavonorona, Razandripiringa, Ratsandramanana ao Ankona . Renikalamena , dia tsy fantatra mihitsy ny taranany *Raonisendry : valo ny naterany dia : Raombilahifotsiloha ; niteraka roa dia : Razaka sy Ravolazafy. Razaka niteraka an-dRavelo ao taitafika ; Ravolazafy kosa niteraka an-dRamanana mianadahy avy ao Isanina. Taty aoriana dia nanorom-ponenana tao Ambohidahy Raombilahifotsiloha mandraka androany. Randriamaha , tokana ny azy dia : Ralaimongo izay niteraka an-dRatsiamboho. Ny zafiafiny Bernard kosa dia irakiraky ny vazaha chef de caton tao Ambodihady izay fonenan’izy ireo. Rainosoanamboa ; niteraka an-dRasoanamboa ; Rasoanamboa niteraka an-dRambiasa ao Ambodihady sy Ratsimba ao Ankorombe. Ny taranak’izy ireo dia nifidy an’Ankorombe mba hitoerany. Rainisoanamboa kosa nonina tao Ambodihady ; Reniben-dRainijaona , izay no nahafantarana azy ; Rainijaona dia ao Andriamamahana sy Ambalamahasoa ny taranany. Rajoma : efatra ny naterany dia : Rainivinany izay niteraka an-dRenivelo sy Rainizafy Bisa , ary Rason. Randevo kosa niteraka an-dRajoseph ; ny zafiny dia i Bera sy Lemora ary ny taranany . Ingahimbita ao Ambohidahy ; tsy fantatra ny taranany . Ramiza ao Isaha kosa nanana an-dRasiniriana ; Randrianjafy kosa nifidy an’Ambohidahy ary Rafilipo no zanany ; Ramandroavola niteraka an - dRainisamy sy Rajaonary , ny zafiafiny kosa dia avy eny am- pivarotan’omby Alakamisy . Raonizanaka no farany tsy fantatra ny taranany . *Ravolazandrasa : niteraka efatra . Randriamamelona niteraka an-dRaherinary mianadahy ao Ambohimiadana . Rainisoatafika niteraka an-dRakambana mianadahy avy ao Ambohimiadana . Razafinjaza niteraka an-dRazaka sy ny taranany. Ny zafikeliny dia i Jean Pierre mianadahy ao Ambohimiadana . Ny vehivavy iray tsy fantatra ny momba azy . *Rainitsia : tokana ny naterany dia Rabemanahaka izay niteraka an-dRandevonandriana ; Randevonandriana kosa niteraka roa dia : Raleza sy Radaliela izay monina ao Ambohibary . *Ratsandramanamparivo : roa ny naterany : Ramitombo izay niteraka an-dRafaravavy ary Rafaravavy kosa niteraka an-dRajery ao Ankatsaka . Ramanahabola : niteraka an-dRatsimba ao Ankazotokana sy ny taranany . *Raonisa : roa ihany koa ny naterany dia , Ralaisanga ; izay niteraka an-dRakotozafy : ny zafikeliny dia Razaza. Ny taranany , dia Ramanamihanta Martin , izy ilay lehiben’ny kantao Malagasy voalohany tao Manolotrony Ambositra . Ny rahalahiny dia Ralaivao Joseph , izay niteraka an-dRaphine ao atsimon’Ampila ary Ravelonjanahary Martine vadin - dRamose Ignace ao Ambala. Mbola mitoetra ao Atsimon’Ampila ny taranak’izy ireo. Ramaminganao ; roa ny naterany dia Rainikambana : ny zafikeliny dia i Pauline sy Margueritte mianadahy avy ao Andriamamahana . Rainikisa : ny zafikeliny dia i Pierre mirahalahy avy ao Maharivo . *Ratsaramanana : niteraka telo ; dia Rainilolona , ka ny taranany no niteraka an’i Victore . Renindratsara , niteraka an-dRatsara ; Ratsara niteraka an-dRamena Joseph , ao Ampananjanana sy ny taranany . Anankiray , tsy fantatra ny momba azy sy ny taranany . *Rafaralahy Emmanuel : fito ny zanany dia : Renilevoara , niteraka an-dRaimeva ; io Renilevoara io dia maty an’ady fony izy niantafika tany Soalala any Toliary . Rafeno , kosa niteraka sivy be izao dia Ralaizafy , niteraka an-dRavelonjaona ; Ravelonjaona dia ao Atsimondrano ny taranany ary Ramanantsoa . Ny hafa kosa tsy nisy fantatra izay mahakasika azy ireo . Ranaby, niteraka an-dRapiera mpanao kiraro ao Ambanivolafotsy ; Ravelonadalo, niteraka an-dRazafimahatratra ao Ambohijaza . Ireto kosa tsy mba niteraka : Ramana, Ravolazafy, Rakalavondrona, Ralaihova, Ralaikamisy, ary François. Raivosoamanana tsy mba niteraka . Ravelona : valo ihany koa ny naterany dia : Ralaikamisy tsy niteraka . Ravolazafy , ka i Dista no nosafidian’ingahy Razafimamonjy taranany nonenany ; Joseph , niteraka an-dRamaria sy Ravaosolo ao Ambalamahasoa . Ralaivao Emmanuel : niteraka enina amby folo be izao. Izy dia nisafidy sy honina ao Sud Caserne Alakamisy. mbola ao ny taranany ankehitriny. Ramainty tsy niteraka . Robinson, niteraka an-dRamiadana Edson mirahalahy avy, ao Ambalamahasoa sy any Ambatofinandrahana. Rakoto Rafaralahy , niteraka an-dRajean sy Rasamivony ao Ambalamahasoa.Tsy hay ny momba azy sy ny taranany …Renilemaharavo, niteraka an-dRamaharavo, Ramaharavo niteraka an-dRazafy sy Rajaonary . Rafenomanga niteraka efatra dia Ratsara , Ratalata tsy niteraka . Ravola ihany koa tsy mba niteraka . Delphine , niteraka an’Ignace mianadahy ao Sahamamy . Ramaria , niteraka an’i Anastasia ao Sahamamy . Rafaravavy , kosa fito no naterany : Ramavo , niteraka an’i Bozy mianadahy ao Ankona . Ravaomainty , niteraka an’i Donné sy Viky ao Ankazotany Ambatomenaloha . Ireto kosa tsy fantatra ny taranany dia : Ravana, Ralaivao Rabe, Louis, Stanislas .[26] Ireo ny zanaky Ramanandrovola sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny. Rehefa natambatra ka natao ny kajy tsotsotra sy ny kajy an-kandrina araka ny fiheverako izaho nanangona ny Tetiarana ; na dia maro aza ny tsy fantatra , teo ihany koa ny mety ho fifandisoan’ny anarana dia tombanana ho 400 mahery eo ho eo ny taranany , izay manerana an’izao tontolo izao mihitsy . Ireo taranaka ireo dia nisafidy an’Ambohimiadana ny 30 % ; ary Ambodihady kosa ny 50 % ; ny ambiny kosa nisafidy ; na nividy toeran-kafa mihitsy. Ramanandrovola : sivy no naterany ka tombanana ho 50 ny zafikeliny ; 100 ny zafiafiny ary 244 ny zafindohaliny Ralango : roa ny zanany tombanana ho 10 ny zafiny ary 30 ny zafiafiny. Rainiberampanjaka : dimy ny naterany tombanana ho 15 ny zafiny ary 40 ny zafiafiny. Raonisendry : valo ny azy ny zanany ka tombanana ho 20 ny zafiny ary 40 ny zafiafiny Ravolazandrasa : efatra ny azy ny naterany ka tombanana ho 12 ny zafiny ary 30 ny zafiafiny Rainitsia : iray ny zanany, tombanana 4 ny zafiny ary 13 ny zafiafiny Ratsandramanamparivo : roa ny naterany tombanana ho 4 ny zafiny ary 15 ny zafiafiny Raonisa : roa ny zanany tombanana ho 5 ny zafiny ary 10 ny zafiafiny Ratsaramanana : telo ny zanany ka tombanana ho 16 ny zafiny ary 36 ny zafiafiny Rafaralahy Emmanuel : fito ny zanany tombanana ho 21 ny zafiny ary 50 eo ho eo ny zafiafiny 1.6.2 Ny Taranaky Ralaivao Emmanuel : *Papabe : Ralaivao Emmanuel, mivady [27] “ Sud Caserne ” : 30 m eo ho eo , raha avy eny amin’ny fitobian’ny Taxi - Brousse = Ambositra - Fianarantsoa . 3m , mahery kely kosa , raha ho eny Ampivarotan’omby Alakamisy. 16 m na 18 m , raha hizotra ho any amin’ny lalam - pirenena faha fito . Papabe Ralaivao Emmanuel, rain’i dadabe Randrianarivo Emmanuel , no nividy ny tany ; 80 Ariary monja araka ny filazan’i dadabe Ralaivao Emilson tamiko. Midadasika be io tany io, misy fianakaviana maromaro ao ; izany hoe amin’izy 16 mianadahy , dia ny iray ihany no any Ambohibary Iary ; ao ihany koa anefa ny any amin’ny “ Nord Caserne ”. Zaza faha efatra nateraky Ingahy Ravelona izy ; ary 16 be izao no mpandova azy 1.Atoa Ramanoelina Celestin : hafa ny reniny 2.Atoa Randrianarivo Emmanuel 3.Rtoa Razananoely 4.Rtoa Razanamalala 5.Rtoa Razafimalala 6.Atoa Randrianoelinina Alfred 7.Rtoa Ravoniarisoa 8.Rtoa Ravaoarinelina Margueritte 9.Rtoa Manoelina 10.Atoa Razakarison 11.Atoa Ralaivao Emilson 12.Rtoa Ravaondriaka 13.Atoa Rafalimanana 14.Rtoa Rafaralahy Berthin 15.Rtoa Rasoazanany Joeline 16.Rtoa Ravaonarivo Berthe Ireto avy ary ny taranak’izy ireo : Atoa Ramanoelina Celestin : Enina mianadahy no naterany ; dia : . Mano : roa ny zanany dia i Leda sy Hery . Rafanomezantsoa : efatra ny zanany dia i Tiana, Laza, Denie, Clavier . Bemanantsoa : 1 ny zanany dia i Ndriantsoa . Ranjanahary Fanja : niteraka 4 saingy Nirina ihany no fantatra . Menja : fito ny zanany dia i Andry , hery, Jacky, Mamy, Tiana, Njara , tsy tadidy ny iray . .Randrianoely : Niteraka 11 be izao : Randriamizaka Noelson Daniel ; Rasoanirina ; Rakotonjanahary Celestin ; Rasoarimalala Jeanine ; Razafindravola ; Razafimalala Noeline ; Andriamanoelinarivo ; Rasoamalalanindrainy Marie ; Razafindramaha Andrianoely ; Andrianoelison Malala ; Razafindrabozy Mariette . Ireo taranaka ireo dia nonina eny Ambohibary Iary. Tombanana ho 80 eo ho eo ry zareo. 1.Atoa Randrianarivo Emmanuel sy Rasoanantoandro : Lahitokana , dia : Ravelontsalama Andrianarivo Richard : kosa dia valo mianadahy no naterany ao Antananarivo . Naka vady hafa , avy any amin’ny Faritra Sava izy ; izay zanaka ampanjaka tany an-toerana . Niteny tamin’ny vinantony izy fa tsy hody any Ambositra intsony ary tsy hiverina any . Niterahany iray io zanaka ampanjaka io dia : Andrianarivo Nirina Odette : Marihana fa tena nanan-karena tokoa io Randrianarivo Emmanuel io . Mpiasan’ny fahasalamana izy ary nandray ny toeran’ny mpitsabo mpanampy . Felicité ny zafikeliny; monina ao Ambanja izy . 2.Rtoa Razananoely sy Randrianirina : niteraka 4 dia : Lisy : niteraka an’izy 5 mianadahy , efa « Sous Prefet » tao Antsirabe sy tao Fianarantsoa ny andefimandriny. Efa senatera ihany koa ;Felana : niteraka an’i Tendry, Anjara ao Fianarantsoa .Tiana . Fenosoa . Lisy .Voahangy George : niteraka telo ; dia Manova sy Anja ary Toky. Ao Ambovombe Centre Perle : niteraka roa dia Aina sy Lova Roger : tsy tadidy 3.Rtoa Razanamalala sy Razaka : niteraka roalahy izy dia : Desire : fito ny zanany dia : Emma ; niteraka an’i Andry, Haja, Alpha ary Nathalia . Nini : niteraka an’i Michel, Anja, Fabrice ary i Olivia .Olga : niteraka an’i Omega sy Tolotra . Hery : niteraka an’i Angelo sy Nantenaina . Fano : niteraka an’i Nala, Bema, Lova, Sophia . Liva . Mano . Eto Antananarivo sy ao Ambositra Sud caserne ry zareo no mipetraka Jean : telo ny naterany dia Solo : niteraka an’i Nambinina, Avotra, ao Ivato Antananarivo . Odile , niteraka an’i Cloé sy Sambatra izay monina any Frantsa Fafah : niteraka an’i Fandresena sy Fenitra ao Ivato Antananarivo . 4.Rtoa Razafimalala sy Tsilainga Jean Louis : niteraka roa dia : Jeanne Vololoniaina ( Zazah ) ; monina any Frantsa tsy hay ny taranany sy Andriamalala Etienne : niteraka 6 izy dia , Prisca : niteraka an’i Brayan Omega : niteraka an’i Lucia sy Doda . Princia . Mickael ary Zaime, izy 4 mianadahy ireo kosa tsy mbola niteraka. Ao Sud Caserne no misy azy ireo 5.Atoa Randrianoelina Alfred sy Ravaosolo ; avy any Imady : niteraka valo dia Julien . Berthe . Dauphine . Henriette . Joël . Noeline . Hanitriniala . Jeanette Miparitaka be ry zareo satria misy , any Anivorano - Brickaville, Toamasina 6.Rtoa Ravoniarisoa sy Rakoto Joseph : 5 no naterany dia : Mino : niteraka an’i Tahiana, Rindra, Njaka, Tantely, Tahiry, Nini. Ao Antsirabe , Antananarivo sy Toliary ry zareo ary any Faradofay . Nirina : niteraka an’i Milanto, Fara ary Landy . Izy kosa dia efa Solombavam-bahoaka TIM ; ny taona ( 2008 - 2009 ) tao Ambatofinandrahana. Efa C.T 2012 ihany koa . Lalao : niteraka an’i Ony, Malala, Henintsoa , Malalatiana, Zo. Any Faradofay ; Moramanga, Antananarivo , ary any Frantsa . Efa Ben’ny Tanàna tao Moramanga ny andefimandriny . Coco : niteraka an’i Anja Nomena sy Mano Yvonne : niteraka an’i Anja, Voninahitra, Rija, Ranto, Cyntia. Eto Antananarivo 7.Rtoa Ravaoarinelina Margueritte sy Simon Petera : niteraka 5 : Pierre Nelson . Mano . Dadah . Solofo . Joel . Monina ao Toamasina ry zareo, tsy hay ny taranany 8.Rtoa Manoelina sy Rathomas ; avy ao Ambatolampy Antsirabe : niteraka 5 dia : Arsene : niteraka an’i valisoa, Lovasoa, Nehemia, Rebecca, Misandratra, Maria ary Volamena. Ao Sud caserne ry zareo . : Line ; Koto ; Jean Marie . Doda , misy iray tsy fantatra ny anarany 9.Atoa Razakarison sy Raliza ; avy ao Andina Ambositra : 9 ny naterany dia : Vola : niteraka an’i Jonathan sy Fahasoavana Fidy : tsy mbola niteraka Ndrita : tsy mbola niteraka Naina : niteraka an’i Narindra sy Rova Dadah : niteraka an’i Tafita sy Emma, Mahelina ary Fiderana Hanitra : niteraka an’i Tojo, Mendrika, Hasina, Jocelyn Rivo : niteraka an’i Fitahiana. Gendarma etsy Ivato Belo, tsy mbola niteraka Pota , tsy mbola niteraka Ao Sud Caserne sy Ambohimahasoa ; ary Ivato Antananarivo ny taranany 10.Atoa Ralaivao Emilson sy Martha ; avy eny Sandrandahy : tokana ny zanany dia : Ralaivao Nirina Emilson , Mpampianatra amin’ny Misiona Katolika , niteraka an’i Hanitriniavo; Sitraka : Nomena : Davida : Daniel ; Elie. Ao Sud caserne sy Antananarivo . 11.Rtoa Ravaondriaka Noëline sy Rasamoelina : Fito no naterany Razafimbelo Jean Seth sy Samoeline . Marovoay Razafiarivelo Jeannette sy Noordine Abdul . Ivato Randrianaivoravelojaona Emmanuel sy Rasoamalala. Marovoay Amady Beta sy Razanadriaka Odette Samuëline. Marovoay Razafimamonjy Henriette Noëline . Talatamaty Ravelonjanahary Clairette . Mahanjanga Rabemananjara Samuël sy Hery . Mamory Ivato Ao Ambositra Sud Caserne sy Ivato ry zareo 12.Atoa Rafalimanana : niteraka roa izy dia : Honoré : niteraka an’i Neny ; Bolo ary Soloarilala any Maevatanana izy kosa dia mampianatra ; ary Rahely tsy fantatra ny taranany . 13.Atoa Rafaralahy Berthin sy Nivo : efatra ny zanany : Lala : niteraka an’i Tsinjo sy Lalaiko. Ny Jeneraly Zaza no andefimandriny Mamie : niteraka an’i Lanto; Voahangy ; Mihajatiana ; Ny Aina ; Sarobidy. Zoé : niteraka an’i Valisoa Fara : tsy mbola niteraka Ao Nord caserne sy Antananarivo . 14.Rtoa Rasoazanany Joeline sy Rafiliposon Rakoto ; avy any Fandriana : Roa ny azy no naterany dia : Aimée , tsy mbola niteraka. Kolonely Firaisana ny andefimandriny Soa : niteraka an’i Manitra sy Andy ary Hasina. Journalista ny andefimandriny Ao Antananarivo avokoa . Ivandry sy ao Iavoloha 15.Rtoa Ravaonarivo Berthe sy Ralaiboto Charles : niteraka enina Charlotte : niteraka an’i Brayan sy Sandrine izay monina any Frantsa Berthelot : « Ouvrage métalique » niteraka an’i Narindra sy Hanitra eto Antananarivo . Tolotra : Gendarma , niteraka an’i Santatra, Avotra ary Tafita . Ambohimiadana Isidore : Gendarma , niteraka an’i Ando sy Rojo Bodo , niteraka an’i Tiana sy Irina ; any Frantsa Voahangy, niteraka an’i Haingo sy Fandresena ary Fitiavana Ao Sud caserne 200 , mahery kely no fantatra fa , zafiafin’Ingahy Ralaivao Emmanuel izay miely eto Madagasikara sy any am-pitan-dranomasina : 70 ; eo ho eo kosa , ny zafindohaliny : Ireto kosa izy 154 ; fantatra anarana : Noelson ; Rasoanirina ; Celestin ; Jeanine ; Noeline Andrianoeliminarivo : Razafindravola ; Marie ; Razafindramaha ; Malala ; Mariette ; Leda ; Hery; Tiana ; Laza ; Denie ; Clavier Ndriantsoa ; Nirina ; Rivo ; Zazah ; Tiana ; Hanitra ; Hary ; Andry ; Solo ; Anjara ; Tiana ; Felana ; Fenosoa ; Lisy ; Voahangy; Manova ; Anja ; Toky ; Emma ; Nini ; Olga ; Liva ; Mano ; Hery ; Fano ; Solo ; Odile ; Fafah ; Doda ; Prisca ; Princia ; Omega ; Mickaela ; Zaim Tahina ; Rindra ; Njaka ; Tantely ; Tahiry ; Nini ; Milanto ; Fara ; Landy ; Ony ; Malalatiana ; Henintsoa ; Malala ; Zo ; Mano; Nomena ; Anja ; Voninahitra ; Rija ; Ranto ; Cyntia ; Valisoa ; Lovasoa ; Nehemia ; Rebecca ; Misandratra ; Maria ; Volamena ; Jonathan ; Fahasoavana ; Narindra ; Rova ; Tafita ; Emma ; Mahelina ; Fiderana ; Tojo ; Mendrika ; Hasina ; Jocelyn ; Fitahiana ; Manitra ; Sitraka ; Nomena ; Davida ; Daniel ; Elie ; Jean Marc ; Redy ; Lolona ; Neny ; Bolo ; Soloarilala ; Tsinjo ; Lalaiko ; Lanto ; Voahangy ; Mihajatiana ; Ny Aina ; Sarobidy; Valisoa ; Manitra ; Andy; Hasina ; Brayan ; Sandrine ; Narindra ; Hanitra ; Santatra ; Avotra ; Tafita ; Ando ; Rojo ; Tiana ; Irina ; Haingo ; Fandresena ; Fitiavana ; Andry ; Hery ; Jackie ; Mamy ; Tiana ; Njara ; Dina ; Lova; Eva ; Jeannette; Jeannot ; Tolotra ; Narindra ; Emma; Yvonne; Anita; No ; Beatrice; Cathérine ; Beta Desmoulin ; Ibrahim Beta ; Tahiana; Sitraka; Mano ; Laurena . “ Mila ezaka ny fahafantarana ny tanindrazana nimpoirana ; tsy moramora ihany koa ny mitady ny tantara feno , tsy misy hanombinana . Natao avokoa izay fara hery ; ary izany no nampisy ny tsy misy ho nisy . ” « Fa na iza na iza olona teto ambany masoandro, dia tsy nanadino ireo razana nipoirany izy ireo .Izahay taranak’Ingahy Randrianarivo Emmanuel ; ihany koa dia tsy hanadino azy, eny hatramin’Ingahy Ramandroavola razambe nipoirana aza ; ka naha Antampon’ny vinany an’Antampon’ny vinany. Ny tantara mety ho fanadino ; fa ny soratra kosa tsy hain’ny ampitso adinoina , sarotra ny mihambo sy misavi-drazana ka aleo anjaran’ny penina no mandiso izay voalazako » 1.7.1 Ireo Fanjakana madinika nitsitokotoko : Hitohy tsy ho ela
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/gidragidra
GIDRAGIDRA
Fredy Jaofera
GIDRAGIDRA Gidragidra no aloka tonga, izay tokoa fa tsy somonga rehefa tsy sainy ny tanjoko sy tsy nomeny ny akanjoko. Gidragidra no nisintahana fa vava lava no niarahana, fosa sy latsa no navoitra fa tsy fitia no nipololotra. Gidragidra no nandosirana fa nanadala ny fifandirana, nahakivy ombieny ny fony tia namoaka ireo lonilony. Gidragidra no nampihataka, na teo foana aza ny vavaka nialana amin'izany tanteraka mbola tsaroana nandreraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tebiteby-mafy
NY TEBITEBY MAFY
Fredy Jaofera
NY TEBITEBY MAFY Ny tebiteby mafy tsy nitsaha-nifafy no nanosika hatrany ho olona eto an-tany. Ny tebiteby mafy tonga nampihafy no namoha torimaso, na teo ny ranomaso. Ny tebiteby mafy feno ratra natafy no nampijoro foana ny tena, na ahoana ? Ny tebiteby mafy tsy mahalala rafy no nitondra fitahiana higagana any aoriana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fifikirana
FIFIKIRANA
Fredy Jaofera
FIFIKIRANA Ny fifikirana amin'ny Ray, fandosirana ny ota izay. Ny fifikirana amin'ny tsara, mahamirana rehefa anjara. Ny fifikirana amin'ny tiana, avy hangirana iny fihobiana. Ny fifikirana amin'ny Marina, tsy hifandirana amin'ny nivarina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ampy-izay
AMPY IZAY
NY Andri-Fara
Ampy izay Zandry a Firy taona moa naha Firenena antsika ? Fa toy ny vao omaly no nampifoha ny tsiahiko ! Mandroso mihemotra...Mihemotra mandroso ; Aiza ho aiza isika ankehitriny..., Fa izay jerena mamiratra aoka izany Loto mihaingo , tsikoko tsy voadio; Kanefa dradradraina manoloana ny ampintsoko . Ireo voafidy sa namidy Ireo napetraka nandany ny fananana Ny Malagasy voaroba tsy nahaloam-peo ; Iza no antenaina hamonjy ny mahantra ? Toa mandatsa lahy ny fiara nampiasainy ; Feno henikin'ny Làlana , mampiherika tomany Izay no Fireneko...Firenena tsy hita be n'ihany . Mpihatsaraivelatsihy no maro Tolorana Vilia ; vilany ;sotra Plastika Dia miroso fifidiana...tambazan-dranomaso ; Velomin'ny ankaso ...Nanantena fandrosoana Ny tanjona adinoina ; fa very ilay nomanina . Dia foana ireo fananam-pokonolona...; Na ambony na ambany ...dia any an-tanin'olona ?! Ireo no higoka ianao kosa handamoka . Ampy izay ry Zandry a Kanefa iza no hijoro handrodana ny manda Ilay manda tsy hikoro , tsy hironjina mazàna . Hijoro hovonoina , hijoro am-pahoriana ?! Tsy hilevina am-pasan-drazana , handao ilay tanàna ? Ampy izay , fa tsy hampihemotra ahy Na iza no handona , na iza hampifendro .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-tohizana
AZA TOHIZANA
Fredy Jaofera
AZA TOHIZANA Tsy hamizana, fangatahana mahatazana ambiaty : aza tohizana tondrahana ny voninkazo maty.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/raha-izaho-ny-tamy-toerany
RAHA IZAHO NY TAMY TOERANY
AORN
Henoy ange e! Maika ery ianao hitsara fa mpamadika Jodasy Lehilahy tsivalahara feno pentina sy tasy Alaim-panahy ianao hiteny hoe: “raha izaho ny tamy toerany, ho laviko ankitsirano ny vola sy ny fanaperany” Fa manoatra noho Jodasy ianao mivadi-belirano tamin-ny toky izay nomena, fa hanaja tokantrano Jereo ange e ! Maika ery ianao hiteny fa tena fositra Pilato Fa namela ny vahoaka ho romotra sy hitora-bato Dia sahinao no manambara fa “ raha izaho ny tamy toerany, Barabasy no nombohina fa zay no mendrika amin’ny toetrany Fa Mbola loza noho izany ianao manafina ny marina Aro-tena no hasetry ka ny lainga no amboarina Diniho ange e! Maika ianao ny hanakiana ireo vahoaka izay nandrora Sy namely teha-maina no sady Mbola nanakora Dia vitanao ny mihizingizina fa raha teo aho tamy ‘zay Dia nijoro tsy nihamba fa tsy nitsitsy nanafay Fa manoatra noho ireo ianao lay mankahala ny hafa Fa manozona ombieny no sady Mbola manantsafa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tantara-mahory
TANTARA MAHORY
Fredy Jaofera
TANTARA MAHORY Raha toa ireny mitsetra ka tsy mety mahita tory fa latsa-tomany, ireo izay tafita rehetra, manan-tantara mahory any anatiny any.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/tanindrazako
TANINDRAZAKO
IALY NOFY
TANINDRAZAKO Teny roa natambatra Tany ampiana razana, No manome anao; Ho lasa Tanindrazako Raha mbola hasambarana Ao aminao no ahitako izany, Raha mbola hatsarana, Gasikara tena tsara . Tanindrazako lalaiko Ao no miainga ny kanto . Sy tantara maroloko ; Tena mamy sady toa tsy foiko . Ao aminao no misy ireo zava-boahary Izay nataon'ilay Nahary . Tany sarobidy ; No nomenao ahy . Tanindrazana lalaina Tanindrazana koloiko Ao no misy ny soa , Madagasikara tena kanto .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjakatohiny
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA...Tohiny
NY Andri-Fara
a . 1. Ireo lalao teto Imerina fahizay : Ireo Haihady teto an-kibon’ Imerina Fahizay : ( Izy ity dia , notsongaina tao amin’ ny boky iray atao hoe : « Antananarivo Fahizay » izay nosoratan’i Rainitovo ) (...) Mandre ny horakoraka ny Andriana Rabodonandrianampoinimerina ka manontany matetika hoe : « Inona ihany izao kotaba be izao ? » Ka hoy ny olona : Ny zanakao sy ny sakaizany, tompoko, no mifamely diamanga, « Ka mba voa ve Ikoto? » hoy ny reniny. « Eny, voa ihany izy, tompoko » - “ Andeha alao re hody ny zanako sangoa dia maratra ao » - « Maditra ny zanakao, tompoko, ka tsy mety hody fa mbola hamaly ilay nahavoa azy, hono, izy » - Ka hoy reniny : Lehilahy izany, fa raha kanosa tsy mba lehilahy » ( ... ). Ny Haihady teto Imerina ; dia ny diamanga an - tehin - tanana . a.2 Ny Daka : Ny zazakely mbola an-tanana iny aza sendrasendrain-dreniny amin’ny Diamanga sahady. Raha samy mitrotro zazakely izy roa vavy dia manao hoe : avia hifamely diamanga, avia ary hifamely . Ary raha lahy sy vavy dia ataony hoe : Iny ny vadinao, ity ny vady . Hoy ny fanoharana : Raha mahita ny valala mifanipaka aho dia mahatsiaro ny diamangan-janako . Izao no anaran-daka : tsipak’ondry, tapi - rano, kopala, atongomby, solanga kitro, tsato - pe, kapatokana, kaparanjo, ambadika, antehin-tanana, matiroa, kapodranjo, dakan - tsoavaly, ambelisangodina, tohan - daka, kopalamanatrika, tohan - tanana, sambodaka. Tsy mba mamely io fa mikendry ny tongony hosamboriny, dia azerany. Ary ny matiroa, raha mamely ny ray dia ampirahiny, ka izay matanjako no mahalavo. Kolontsaina teto Imerina ny Haiady : ny Daka, ny Sidina ary ny Totohondry. Kolontsaina sy Haren - tsaina izany ka tokony hotandrovana sy velomina imaso . a.3 Ny Dakabe : Ny fanaovan-daka dia eo Anjoma na Analakely, Isotry, Imahamasina, Andohalo, Ambanidia, Soanierana sy ny tanàna lehibe manodidina. Mafy Daka hikoizana ireto Ambaniandro ireto ; hoy Lars Vig, misionera Norveziana niasa tao Antsirabe. Misy koa manao andiany maromaro hatramin’ny folo lahy na mihoatra handranto daka any ambanivohitra, toy ny eny Namehana na Ambohimanarina, dia izay reny fa misy malaza. Fa Namehana be nalazan-daka ary Ambohimanarina , be tovolahy matanjaka ka nahatonga ny fiteny hoe : Dakan’Ambohimanarina , ka ny mpitan-damba avy no voa . Ireny mpiharan-daka ireny dia mihaika ny ao an-tanàna, fa tovolahy efa donto lahy daholo ireo. Ka raha daka milamina mifanitsy eo tsy laitra ireo, fa indraindray tezitra ny ao an-tanàna , ka anaovany ady ratsy , raha mamely afa-tsy daka, dia atao hoe ady ratsy , asiany totohondry sy langilangy ka be no maratra. a. 4 Daka samy irery : Io no fampiseho-pahaizana fatratra. Ny Daka tamin’izany dia misy fampianarana hoatra ny any amin’ny sekoly. Mandany andro mifampianatra any an-tsaha ny tovolahy. Mikendry sy mihevitra izao famelezana sy fialana ary fanohanana rehetra izao. Ka misy tena ambony fahaizana ka hatonin’ny sasany ianarana. Efa tsy azo asiana ilay mahay izany, ary mahavoa izay tiany hasiana; ka raha ny tsy mahay no sandra azy, raha vao miainga ny tongotra dia ataony mitsingidina ery, na ataony torana eo. Ka tsy araka ny habe na araka ny tanjaka fa ny fahaizana no miady . Naharitra indroa na inteolo mahamasa-bary. Raha misy mamely lavo na mitolona na mamely totohondry, dia atao hoe manao ady ratsy, ka sarahina haingana; ary indraindray rafitra ady be ny andaniny avy. Indraindray koa misy torana na afa - nify, misy maty mihitsy aza. b. Ireo tovolahy nalaza tamin’ny diamanga : Imaherimaso ; Itsizaraina; Ivoalavo; Ramahatra ; Isakalava ; Ijobo ; Itsiavela ; Ibevainga; Ratiaray. Ny tao Anjoma : Isoavakely ; Imamonjy ; Itsiravana ; Ravoay, Rabevilany; Ny tao Ambohimitsimbina : Ikotolahy ; Iambaro ; Bevomanga. Ny tao Soanierana : Beahy. Ny tao Mahamasina : Itsiorinasa. Ary amin’ny tanàna hafa dia samy nisy kalazalahy amin’ny daka toy ireny koa. Ny mahay diamanga anie tamin’izay dia manan-kaja sy deraina hoatra ny mahazo diplaoma ambony iny. Tsy misy malaza ho mahay diamanga hoatra ny zatovon’Iarivo taloha teto . b.1 Ny Totohondry « Totohondrin’Imerina tsy misy teny ierana loatra fa ady tezitra » , ka avy hatrany dia mafandramatra. Loza ny totohondrin’ny mahay, fa tsindroniny kely foana eny amin’ny handriny ka vaky hoatra ny voan’ny antsy, na mamoanjo hoatra ny vay miaraka amin’izay. Tsy mba mamely afa-tsy amin’ny tarehy ny ady totohondry, ka be no boa-maso, vaky orona, afa-nify; ary raha eo amin’ny foto-tadininy aza no voa mafy, dia mikarapoka jihitra eo. Ary inoany fa be ody, hono, ireny mahavaky sy mahatorana ireny. Ny tolona tsy firy no mahay fa an’aina fotsiny izao ny azy. Ilay karazana hai-ady teto amin’ity Nosy ity 1.5.1.3 - Ny Fanjakana Betsileo :[16] Midadasika sy lehibe ny Faritany nitoeran’ny Betsileo. Dia tapany atsimo sady avo toerana . 240 Km ny lavany ary 140 Km kosa ny sakany. Arindrano no niantsoana ny Betsileo fahizay. Toerana feno tendrombohitra izy dia : Ambondrombe, Anerinerina, Lalangina, Iaody, Kiringy, Ifaha, Kipasè, Idondo, Tsitongambalala, Andringitra , izy ilay tendrombohitra faharoa avo indrindra eto Madagasikara. Nizara ho Fanjakana fito lehibe sy natanjaka izy ireo : Ny tao Lalangina : Nozaraina ho 4. Andoharano no tao atsinanana, Lalanginarivo no eo afovoany ary Mandranozemima ny andrefana izay mbola nivaky roa ihany koa, ka Mandranofotsy no ao atsimo ary Lafarivo no ao avaratra. Ny farany moa dia Avaradrano, atsimon’i Matsiatra no misy azy. Ireto avy no Mpanjaka tao Rasamboninjato , Andriana avy aty Imerina ary nanjaka tao Ankona Rafianarana , izy dia rahalahin’Andrianatara I, izay nitondra an’i Lalangina sy Vohibato Rahasamanarivo : ( 1650 ) , izy dia zafin’Andrianatara I Andrianognendragnarivo : ( 1670 ) zanany no nandimby an-drainy. Nanana mpihevi-draharaha isam-paritra izy ka: Ratsiranaomby , tao Analamena Ramarompaompana , tao Mahasila Raonimpilanjahavanela, tao Mahatsinjony Randrianaimalazahoandrainy, tao Andrainjato Randriakininkovolo , tao Ambohipo Andrianiramamba , tao Lalazana Ranakandriantsimanoko , tao Vinaninoro Randriamahaimanjaka , tao Sanjoana Raotoandroavola , tao Ialamalaza Ramalazandriana , tao Tsarafidy Rasoafapehina , tao Ambohimaha Ratateafo , tao Vohitsaombe Ramasivanonjato, tao Vatofotsy. Izay ny amin’ireo andriana tompomenakely, napetraka ho mpihevi-draharaha isan- tanàna, izay nanamafy orina ny fahefan’ny Mpanjaka sy ny fihavanana Raendratsara : ( 1780 ) avy eo no nandimby an-drainy Andrianognendragnarivo , ary ireto kosa no mpihevi-draharahany, izay nihen-danja tsy tahaka tamin’ny rainy. Andriantsikely , tao Alanindro na Alananindro Andriantsatria , tao Ankitsaka Radiondrano , tao Ambohipanja Andriatsimizarairery , tao Fandrandava Ramanjatoivosoa , tao Vatomitatana Ramananompizato , tao Ambohibarilena. Raonimpanalina , zanany kosa no nandimby azy avy eo Nisy Foko maro nadinika tao dia : Zafindraraoto, Tokantsaotsa, Arabe, Voanty. Andriambazizanakompanalina : ( 1786 - 1829 ) anabaviny no nanjaka nandimby azy . Mpanjakavavy hendry izy io nanjaka teo anelanelan’ny nanjakan’Andrianjafy, Mpanjakan’Ambohimanga sy Andrianampoinimerina , Mpanjakan’ny Madagasikara ary ny tapany nanjakan-dRanavalona I izy. Ary nanjaka 43 taona tao Lalangina. Rampagnarivotomponogne : ( 1829 – 1859 ) , no nanjaka avy eo , saingy izay misy milaza ihany koa fa izany Reniadalo : ( 1859 –1884 ), izany no nandimby an-dreniny. Avy eo nondimbiasan-dRamaharoarivo : ( 1884 – 1898 ) Maro ireo mpanjaka resiny Rahasamanarivo, razambeny dia: Andriambahoamana , tao Ambatovaky Andriamenabe , tao Akarimaso Andriamarorosona , tao Ambatofinandrahana Raimahidy na Rainimahidy ; tao Fandrandava Niady tamin’ny Tanala tao avaratra atsinanany izy saingy tsy resiny noho ny ody mahery nananan’ny Tanala Ny tao Manandriana : Andriambatsatsa : ( 1680 – 1730 ) nanjaka 50 taona, nandimby azy Andriamanalinarivo : ( 1730 - 1750 ) nanjaka 20 taona. Nifandimby nitondra an’i Manandriana kosa ny taranak’ Andriamanalinarivo . Raitezaompanarivo : ( 1750 - 1775 ) nanjaka 25 taona Ratsatsarivo : ( 1775 - 1885 ) nanjaka 10 taona Andriamangoka : ( 1785 - 1795 ) nanjaka 10 taona Ralaiarivony : ( 1785 - 1815 ) 30 taona no nanjakany, niaina sy nahita an’ Andriambazizanakompanalina, Mpanjakan’i Lalangina ary Andrianampoinimerina sy Radama I , Mpanjakan’i Madagasikara. Nihanalemy ny Fanjakan’i Manandriana taty aoriana satria tratran’ny fisaratsarahana. Ralaimainty , no nandimby an-drainy ny taona ( 1815 - 1822 ) 7 taona monja no nanjakany. Nandimby azy kosa Andrianatara IV ( 1822 - 1830 ) mba nihoatra heritaona tamin-dRalaimainty ny azy ny Fanjakany. [ Ity koa misy filazana hafa ( Tantaran’ i Madagasikara isam-paritra p : 302- 303- 306 .Randriamamonjy Frédéric ] Ramasoandro : Zanaky Ramakararo andriana Antaimoro izay taranaka Arabo nifindra avy tany Lameka no voalaza fa razamben’ireo andriana Betsileo nanjaka afa tsy tao Ambositra sy Fisakana irery hono. Andrianatara ( Ratomponiarivo ) : Taonjato faha 17 Andrianatara II ( Ralefona ) : Nanjaka tao Mandrombo Ramasotrarindrano ( Raindratafika ) no nandimby azy Andrianatara III no nandimby an-drainy izay nanova ny Faritany tao Mandrombo ho Fihasinana. Andrianatara IV ( Rafogay ) no nandimby an-drainy Ramonjamanana ( 1870 ) izay zafin’Andrianatara IV no nandimby azy, saingy tsy nanjaka fa natsangana ho Tompomenakely Ny tao Isandra : Ralambovitaogne : ( 1654 ) : Izy io dia zanaka andriana avy any Mango. Izy dia zandry faralahin-dry Raompanarivoandranovolamena; Mpanjaka tany Mango any Anjanina. Nonina tao Ankaramila izy izay novany ho Ambohitrandrazana ary izy dia lasa niofo ho Ralambovitaogne , raha Ralambo fahiny no anarany. Ilay renirano natao hoe Volovandana dia novany ho Isandra mandraka androany. Ramasimbanonony : izy no nandimby an-drainy Andriamagnalembetane , Izy ilay Ralaimanty fony fahatanorany ka niova anarana fony nanjaka nandimby an-drainy Andriamanalina II Andriamanalina III Rajoakarivony I Rajoakarivony II ( Zafin’ny Mpanjaka Rajoakarivony I ) dia niara nanjaka tamin’ny rainy Ramasimbanonony II , izay nitondra roa taona monja dia maty ka izy avy hatrany no nanjaka na dia mbola zaza aza , Ramavo : Zokiny iray tampo no nandimby azy rehefa maty izy. Izy ilay niteraka an-dRatovony II izay lasa Goverinora fony Ranavalona I no Mpanjakan’i Madagasikara. Izy ihany koa no nanolotra taratasy ho an’i Jeneraly Duchesne nanolotra an’Isandra Izay ny amin’ny vohitra telo.Samy nanana ny mpanjakany avy; ary nifandovana izany. Fa nisy tamin’izy ireo no nanana rohi-pihavanana ihany koa. Soron’afon-drazana Fa ny amin’i Arindrano, kosa dia nizara ho vohitra efatra. Nanana ny mpanjakany avy ary samy nanana ny fahaleovantenany ny tsirairay. Ny tao Vohibato : Iny avaratra atsinanan’ Isandra sy Lalangina iny no misy azy. Ralainony , zanaky Rahasamanarivo, mpanjaka tao Lalangina no nanjaka tao, avy eo: Aandriambelonandro I Nodimbiasan-dRaognemananigna ; nandimby azy kosa , Ramarovahoaka izay nametraka ny fanalo* isam-paritra, sao hiakaran’ny Tanala ka ireto izany: Andiatsimamo , tao Mahasoabe Ramasimbilaony , tao Marokona Ramanampematahotra , tao Andrarambinina Raimilonana , tao Taombelo Aandriamadrosolaza , tao Akarinomby Ratsimalazafairery sy Ramasinampiasia tao Taolana Ravozontany sy Ramierana tao Lomaka Andriamalaza tao Amboasary, no sady lehiben’izy rehetra. [ Ny atao hoe fanalo* dia ireo tompomenakely niadidy ny faritra na tanàna iray ]. Nandimby an-dRamarovahoaka ny mpanjaka : Ralainony II Aandriambelonandro II. Ny tao Alananindro : Ao atsimony kosa no misy azy : Reony no mpanjakavavy nanjaka tao, avy eo : Andrianonibe I izay nodimbiasan’Andrianonibe II . Nandimby azy kosa , Raonimana I. sy Andrianafagnanahare, izay nondimbiasan’Andriandragninarivo, izay hafa firazanana amin-drizareo, fa nasandratra ho andriana noho ny herim-po nanany. Raonimana II dia nizara ny fanjakana ho roa ho an’ny zanany sy ny rahalahiny ka : Andriandragninanrivo II , izay rahalahany no nanjaka tao Alananindro fa ny zanaky Raonimana II , kosa : Andrianafagnanahare II , dia namonjy an’i Manambolo ary nanjaka tao. Nitohy kosa ny Fiandrianan’i Alananindro : Ramarotafika I Ramarotafika II. Ny tao Homantsazo : Ao atsimo andrefany no toerana misy azy : Raompanarivomasy Raombenagnahary , izay nanana vady sivy : Tabokefaendrendrafe Fimbindamiale Tragnoailamady Tapenadromihaogna Tsijaribeombika Mpitakelentsomy Sambaelamady Magnelapotsirahogna Mamokombognahoma . Mbola niampy efatra ireo taty aoriana, marihana fa tsy tena anarany ireo fa anaram-bositra napetraky ny mpanjaka mba ho azy sy hiavahany amin’ny olona hafa : Andriandomaivola Ratovonogne Ramaroarivo Rakiramangavola. Fitaovam-piadiana tany Betsileo Ny Fanjakany Raombenagnahary , dia nanana ny sivy trano mpiara-miasa aminy sy ho mpihevi-draharahany ka : Raognemanantsilea , tao Iaritsena ( Nandalovana ny taona 2014 ) Rabetaro , tao Tananaombe Ramamianatse , tao Anjà ( Nandalovana ny taona 2005 sy 2014 ) Ramakomanjato , tao Sakarivo Ratarognandria , tao Vohimanombo Andriamalaza , tao Vohibe Rainitsimaha , tao Vatobe Rabefanjakania , tao Lovahatsara Tia anaka loatra ny mpanjaka ka nozarainy telo ny Fanjakany ka : • Andriandomavola , tao Homantsazo • Ratovonony, tao Reandava no nanjaka • Ramaheve , kosa tao Oninarivo. Ny Fanjakan’Ambositra : • Andrianitanosy no andriana lehibe tao ary nizara telo ny Fanjakany tamin’ny zanany : • Impanalina, nifidy an’i Andraimbe ( 2015 ) Niady an-trano ny taranak’izy ireo, izay nantsoina hoe: “ Zafirambo ”. Momba an’Ambositra izay ihany dia andeha isika hanaraka an’ity tantara velona ho an’ny Firenena ity fa tsy ho an’ny taranaka ihany; izay mahakasika ny “ Ambositra tompon’anaran-dray ”. Ity tantara ity dia nidinana ifotony tany an-tanindrazana , ary karazana olona maro no nihaonana sy natonina manokana , ka nifanakalozan-kevitra ; tsy natao ho tompon-trano mihono ka hangataka atiny anefa ny fianakaviana , fa nahafahana nandrafitra an’izao tantara izao ; ho rakitra velona , ho lovan’i Malagasy sy ny Firenena manontolo Vatolahin’Andriambavizanaka sy ny Mitambolamena * Izay Mpanjaka Zanakompanalina nanjaka tao Ambositra sy ny manodidina teo anelanelan’ny taona 1600 – 1800 . ° Andriandrambobemalaza : Izay nanjaka , tao Ianjanindavitra ny taona 1600 ° Impanalina I : Izay nanorina an’Ambohiponana sy Andraimbe ny taona 1630 ° Impanalina II : Izay nanorina an’i Vinany ny taona 1640 ° Andriambatsipanarivo : Izay nanorina an’Ambohidravaka ny taona 1660 ° Andriambalarivo II: Izay nanorina an’Ambohimasina ny taona 1700 ° Randriamaompanalina I : Izay nanorina an’Ambatofinandrahana ny taona 1720 sy nanjaka teto Ambositra ny taona 1730 - 1750 ° Randriamanalona : Izay nanorina an’Andrainjato ny taona 1750 ° Andrianofinitany : Nanjaka tamin’ny taona 1760 - 1775 ° Randriambolarivo II : Nanjaka ny taona 1780 - 1790 , tao Amorona ° Randriamaompanalina II : Nanjaka , tao Ambositra ny taona 1780 - 1800 ° Rarivogninalina : Nanjaka , tao Ambositra ny taona 1800 ° Randrianonimpanalina : Nanjaka farany , tao Ambositra ny taona 1811 Ny tao Fisakana : Rehefa maty Ratrimo izay nanjaka tao Imady sy Fisakana ( 1625 - 1650 ) dia, nanjaka nandimby azy ny zanany roalahy : ° Rahendry : ( 1650 - 1655 ) izay nanjaka , tao Ambohipoloalina ° Rarivoekembahoaka : ( 1655 - 1785 ) no nalain’ny vahoaka handimby ny rainy ( Ratrimo ) rehefa noroahin’ny vahoakany Rahendry, izay nandimby an-drainy, ka nifidy an’i Fisakana ho renivohitra, 170 taona vao maty ny mpanjaka ary nanjaka 120 taona. Izy no ela fanapahana indrindra teto amin’ity Nosy ity. ° Andrianandrianina : ( 1775 - 1796 ) : Izay nandimby velona an-drainy , ka namindra ny renivohim-panjakany ho any Miarikanjaka ° Rivoekembahoaka II : ( 1796 - 1808 ) , kosa no nandimby azy tamin’ny fitondrana, ary Kiririoka , no nataony renivohiny. [28] 1.5.2 Ny Foko Betsileo Midadasika be ny toerana misy azy ireo. Iny tapany atsimo rehetra iny ; fa sady avo no nahazo ny ampovoan’i Madagasikara. 240 km, ny lavany hatreo avaratra no mianatsimo, lalana 5 andro izany fahiny. Ny sakany kosa 140 km , no miatsinanana ka hatrany andrefana. 3 andro no ahavitana izany fahizay ary dia an-tongotra no natao. Ny reniranon’i Mangoky no anankiray mandalo eo amin’iny tapany atsimo iny , ary lasa Matsiatra. Ny aty avaratra kosa, dia ny sampanan’i Tsiribihina no nanjary Mania. Na aiza na aiza toerana andehananao dia fiakarana mideza no toeram-ponenan’i Betsileo. Na izany aza, tsinjo eny ho eny ihany ; ny tany lemaka sy ny lembalemba rehetra. Mpiompy sy mpamboly ny olona ary manana fahazotoana tokoa, tia mifindra monina sy mpila ravinahitra ivelan’ny taniny izy ireo ; hany ka henika azy ireo ny tanin’ireo vondron’olona 18. Ny Betsikeo avaratra : eo anelanelan’ny reniranon’Ivato ao atsimo, sy Manandona. Sahanivotry ary Mania, no ao avaratra, ary ny ala no ao atsinanana. Betsileo avy aiza marina ? ary inona no nahatonga ny anarany ? Maro no nahatonga azy ho Betsileo, fa singanina manokana eto, ity tantara iray ity. « Ny fandrobana matetika nataon’ireo Sakalava azy no nampitambatra ireo vondron’olona maromaro, madinidinika ka nihavian’ny fitenenana hoe « Be - tsy leo ». Niray hina ka tsy nahatohitra azy ireo ny Sakalava fahavalony dia raikitra fa Betsileo ny Betsileo. Fahizay mantsy, talohan’ny taona 1200 , tany ho any, dia nantsoina ho « Tampatra, Ambatsa, Ahia, Arindrano, Tanadroa ary Andriambohitromby » izy ireo ary nahaleon-tena sy nanana ny mpitarika azy tsirairay avy. Tsy azo hodian-tsy hita anefa fa maro ireo olon’ny fahagola , tany aloha no sady nitoetra an’ala no nivelona amin’ny tany lemaka na ny vohitra izy ireo ; ao ny Ntaiva, izay azo inoana fa mpifindra monina voalohany tany Betsileo ; mpandrafitra tena mahay ary azo heverina fa ho razamben’ireo vondron’olona atao hoe : Zafimaniry ao Ambositra izy ireo. Tsy ny Ntaiva ihany ; fa ao ohatra ny Taimbalimbaly, Taindronirony, Gola, Fonoka, Kokoka, Lakoka , ary ny Bongo. Raha ny vazimba no asian-teny dia mpifindra monina avy any atsimon’i “ Mombassa ” sy “ Indochine ” fahiny izy ireo no nandrato teto anivon’ny riaka ,izay mbola Nosy Maitso noho izy rakotra ala ny ankamaroan’ny toerana. Ireto karazan’olona “ Négritos ” sy ny “ papous ” ireto indray , dia tao “ Océanie ” ; ary mpiompy ry zareo . Iry voalohany dia avy any Afrika ary itsy faharoa kosa dia avy any atsinanana. Vazimba tamin’ny taonjato faha 14 . Any amin’ny faritry Manandriana, tanàna iray atao hoe : Mahazo. Misy atao hoe : Vohidrakidahy sy Vohidrakivavy , izay vohi-bazimba : Ramasoandro dia zanak’i Ramakarabo andriana tany amin’ny Antaimoro , izay taranaka Arabo tany Lameka. Ireo olona manana fiteny “ Proto-Austronésienne des Vazimbas ” , sy ny teny “ Swahili ” sy “ Shahili ” na Bantus . Ny teny iray tarika amin’ny Néo-Austronésiens = “ Malais ; Javanais : Bingis : Orang laut ” . Raha teo amin’ny tantaran’ny foko Betsileo , dia ny Bongo no nanana anjara toerana lehibe, fa sady nalaza sy natanjaka, nanana filoha hendry izy ireo no lalin-tsaina ihany koa . Ireo karazana vondron ‘olona mitovitovy fihaviana ireo no ilay antsoina hoe : « Nadagno zavona » Nilomano tamin’ny zavona . Matetika no miteraka ady sy savorovoro tamin’ireo vondron’olona mitovitovy karazana ireo , ny ady tany sy ny fandratoana andevo , ary ireo te hanitatra ny ambaindain’ny fanjakany. Raha ny teo amin’ny vazimba indray dia ny “ Bodisy ” sy ny “ Andrianakatsatsa ” , no tena nalaza. Ny Hova no andriana nampanjakaina, ny Anakandriana no raiaman-dreny lehibe sy manan - kaja. Ny Andevohova , no lefin’ny hova izay nalaina tamin’ireo Anakandriana. Ny Andevo kosa dia ireo olon-dresy sy ratsy fitondran-tena ka nahetry ho iva razana.[16] Raha ny tantara no zohina ( arahana ) dia Arabo mpifindra monina ireo andriana Betsileo ireo : Ao ny Hovampanominda sy ny Hovabe. Ireto avy izy ireo : Betsileo avaratra : ny Maroandriana Manandriana sy Midongy : Zafirambo Isandra : Zafimaharivo Ankona : Zanakandranovola Lalangina : Zafindravelo sy Zafianarana Vohibato : Zanakatara Tsienimparihy : Zafimahafanandry Alananindro : Zafindreony Homatrazo : Zafimahatohamana Misy amin’izy ireo no midi-droa toa ny : Manandriana : Zanakandranovola Ankona : Zanakatara Isandra : Zafimahatohamanana Izy ireo dia mivelatra ho Arabo manontolo , fa tsy voafaritra ho firenena tokana ihany. Raha ny zava-misy , ao amin’ilay tendrombohitra iray , ao Alakamisy Ambohimaha ; harambato no marimarina kokoa, mandalo amin’ny RN7 iny, dia misy soratra tsy hay vakiana ao ; ary tsy hay vinaniana ho soratra Jiosy na soratra Arabo. Tsy mbola nisy nitonona ho nahavaky io soratra io anefa ireo Jiosy na Arabo mpifindra monina na ny nandalo teto na izay nitoetra , kanefa azo inoana fa maro tamin’izy ireo no mpandalina ireo soratry ny firenena niaviany. Mijanona ho zava-miafina izany hatreto. Azoko inoana anefa fa io soratra io , dia soratra Betsileo talohan’ny taon-jato fahaefatra tany ho any, ka ireo Ntaiva na Gola no nandrafitra azy ho vato sikotra an-tsoratra noho ireo vondron’olona ireo nahiran-tsaina tokoa fahiny . Porofo iray ity : ny foko Antaimoro , dia nandova ny soratra Arabo ary hain’izy ireo tsara izany ; eny fa dia ireo Arabo any amin’ny tanindrazany aza dia mahay tsara ny dikany. Tsetsetra tsy aritra ity ; Ary ohatra anankiray velona : Ny Ketaba : « Contrat de Mariage Juif , du Yemen en 1975 » dia Mitovy amin’ny Katibo Antemoro . Fanaon’ireo Ntaiva ireo mantsy ny namela dindo teo amin’ireny lozoka na harambato ireny ny sikotra fanaony , fa tsy nionona tamin’ireo hazo an’ala ihany izy ireo , mba ho famantarana teo amin’izy samy izy. Ny foko Betsileo ihany koa dia nanana mpitsara atao hoe : « Lavahala » sy ny lalàna atao hoe : « Fotsihotro » ary io Fotsihotro io no sazy farany izay henjana , ary nampiharina tao aminy ka nahavery fananana ireo tratrany . Ireto avy izany : Ny Mpisavika ao an-drova Ny Mpamosavy na Mpamorika Ny Jiolahy Ireo Mpitsara nampihatra ny Fotsihotro no lasa anara-petaka na anaran’eso hoe : « Fotsihotro » 1.5.3 Ambositra Fahizay Manahirana tokoa ny namaritra ny tena marina , mikasika ny mpanjaka teto Ambositra. Na ny tompon’anaran-dray na ireo mpahay tantara mpikaroka dia ahitana fahasamihafana avokoa. Ekena ary fa ireo rehetra izay nanontaniana sy nanaovana fanadihadiana dia samy nanana ny filazany. Ny tantara dia naneho fa Impanalina , izay zanak’Andrianitanosy , no tompon’Ambositra na ry zareo mpahay fikarohana momba ny tantara aza sahiran - tsaina , noho ny fisian’ny Mpanalina maro nanjaka teto Ambositra. Ireo tompon’ny tantara anefa izay “ Taranaky Ramanandrovola , ao “ Sud Caserne ” , dia maneho an’Andriamanalimbetsileo ho tena tompony ary mbola miteraka ady hevitra be satria tany Vakinankaratra dia nisy an’izany Andriamanalinimbetsileo izany ihany koa. Anarana mitovy ve sa olona iray ihany sa misy fifangaroan’ny tantara. Iry voalohany fotsiny tsy misy « ni » eo anelanelan’ny « li » sy ny « mbe ». Manomboka eto kosa ary , dia ny taranany no , nangalana ny tantara. telo mianadahy ny zanak’Andrianitanosy , dia ireto avy izany : Andriamanalimbetsileo ; Ratrimo , ary Ranosy Samy nahazo ny anjara lovany , mba hanjakany avy , izy telo mianadahy , ka Andriamanalimbetsileo , no tao Andraimbe Ratrimo kosa, tao Imady , ary Ranosy kosa no , tao Imito . [ Ny foko Zafirambo aloha , no fototra niaviana saingy eto dia somary nanahirana ny tenako izay nanao ny fikarohana fa tena Zafirambo tokoa ve no fototra sa ny Maroandriana ? ] Raha heverina ho tao Mananjary mantsy no nidiran’ireo Arabo mpifindra monina sy mpivaro-mandeha ireo , izay an’ny foko Antambahoaka dia noheverina ho nandalo tamin’ireto tanàna ireto : Antsenavolo, Rondro, Ifanadiana, Ambohimena na Ambohimiera no marimarina kokoa, Ambohimanga atsimo, Ambinanindrano, Imerina Imady, Ambositra. Ny reniranon’i Ampasary kosa no tsakaina . Raha atao hoe , avy ao Manakara indray , izay tanànan’ny foko Antemoro, no heverina ho nidiran’izy ireo dia ho nandalo ireto tanàna ireto : Ambila, Sahasinaka, Tanambao, Manapatrana, Tolongoina, Ikongo, Mahaditra, Vinanitelo, Alakamisy Itenina, talata Ampano, Andranovorivato, Fianarantsoa, Ambohimahasoa, Alakamisy Ambohimaha, Ambositra. Mahaditra hatreo Ambositra dia an’ny Betsileo. Ny reniranon’i Sandranata sy Sahambavy no dikaina, Tena lalina sy be voay anefa io rano io ary ala mikitroka no dikaina ary tsy ferana ny mety ho fahavalo nisakana ny dia. Mety ho tanàna hafa mihitsy araka izany no nizoran’izy ireo fa tsy voatery ireo tanàna ireo akory no nizorany raha ny lojikan-javatra . Raha ny Tanala no resahana , dia nisedra ny fanafihan’ny mpanjaka Betsileo matetika tokoa . Ny taranaky ny Zafirambo no nitondra sy nifehy teo amin’ireo vondron’olona Tanala, ary amin’ireo tanàna sasany any , dia ahitana taratra izany ; ny andriana Zafirambo nanjaka tany dia Rambo , avy eo nodimbiasan’i Andriantsamobe. Ny Tanala sy ny Betsileo , anefa samy manana ny maha izy azy , ary tsy mitovy fomba amam-panao mihitsy. Eo anefa no mipetraka ny olana satria raha vondron’olona iray no niandohana, tsy maintsy misy kolontsaina nitovizany tao ; izany anefa toa mifanipaka sy mifangarika. Ohatra iray ity izay inoako fa mahasarotiny an’ireto foko roa ireto. Ny Zafirambo , dia olona tena tia lamba hasy ho fitafiana mianjaika. Ny an’ny Betsileo kosa anefa , dia ny lamba Arindrano tanteraka no fitafiana ambony karazana sy lafo vidy aminy . Samihafa tanteraka ny fomba amam-panao : Ny taovolo ; ny tso-drano fanao am-panambadiana ; ny fianarana ; ny dia aleha ; ny Sokela izay fampiasa any Betsileo ohatra , tsy hitanao any amin’ny Tanala mihitsy . Ity ihany koa : Ny tanàna tao Sahasomangana sy Fisakana no lasa « Anjafirambo » Raha hiverenatsika ny tantara , dia izy mirahalahy dia samy niteraka fa Ranosy kosa momba. Rehefa nihamaro ny taranaka dia niady matetika , ary tsy nifanaran-tsaina ny taranak’Andriamanalimbetsileo sy Ratrimo noho io adim-pianakaviana io. Inona moa no fototry ny olana , fa tsy ny ady tany ; ny ady fahefana ; ny ady te hanjaka irery . Ny tao Andraimbe ; izay tendrombohitra atsinanan’Ambositra ankehitriny [17] , dia Andriamanalimbetsileo no namaritra ny tanànany mba hanjakany rehefa nisaraka izy telo mianadahy. Io no Ambositra fahizay , izay atao ihany koa hoe « Ambositra tompon’anaran-dray ankehitriny ». Nampanao lavaka fito sosona manodidina ny lapany ho fiarovana amin’ny fahavalo sy hiarovana ny fanjakany i Andriamanalimbetsileo. Io no asa nataony voalohany raha vao nanjaka izy. Eo amin’ny vavahady fidirana tokana ao an-drova dia misy vatolampy lehibe iray fanaovana fanorona fa hialohavan’io vato io kosa dia misy vato mifanongoa toerana nandevenana an - dRainihanana mba hatao famato [18] . Io olona io dia nohosorana ody hatreo amin’ny lohany ka hatreny amin’ny faladiany, avy eo nalevim-belona mba hiarovana ny Merina na ireo vondon’olona hafa mety hiaka - dapa, indrindra fa ny fahavalo hisavi-panjakana. Avy ety atsimo no miditra, sady any rahateo ny vavahady fidirana ao an-drova. Io Andriamanalimbetsileo io aloha hatreto no fototra niaingana fa Ramanandrovola , dia vinanto araka ny fanambaran’ny andaniny . Ny ankilany kosa anefa , dia mampiseho fa io Ramanandrovola , izay loharano mipoirana io , dia zanaky ny mpanjaka fa tsy vinanto izany [19]. Vao manomboka , dia efa hita sahady ny fisavoritahan’ny tantara , kanefa dia olona iray ihany no niandohan’ny taranaka . Raha ny tombatombana sy ny vinavina , ho nahavelomany : 1725 - 1826 , tany ho any ; izay vanim-potoana nanjakan’Andrianampoinimerina sy Radama I , izany . Mety hitombona io vinavinana io , satria ny mpanjaka Radama , teo amin’ny fanjakany no nanafika an’Ambositra ka nahaleo - monina azy ireo , ka nifindrany tany amin’ny toerana hafa, izay mbola ho resahantsika aoriana ao . Mahakasika ny mpanjaka Andriamanalimbetsileo kosa dia heverina fa niara-nanjaka tamin’Andrianampoinimerina : 1787 - 1810 . Raha ny tantara anefa no zohina , dia niovaova foko ny tarana-manjaka , faha Ratrimo zanak’i Andrianitanosy dia nataony hoe : « Zafindratrimo » ny azy , ary ny an’i Andriamanalimbetsileo kosa « Zanakimpanalina » fiovana faharoa talohan’i Zafirambo io fa ho hitantsika ny fiovana fahatelo fa araho ny tantara. Niainga avy ao Madiolahatra ny tafika ( Tafik’Imerina io ) izao no hevitr’io anaran-tanàna io fahizay, izay madio no milahatra hiantafika, somary nianantsimo ny andian-tafika , ka tonga teto Ambohimiadana, nojereny ka niadana tokoa ka nilaozany, nandroso nianatsimo ihany , ka tonga teny Maharivo, rehefa tonga tao Maharivo dia nisy naningana ka lasa tany Mahalaina ambanin’ny Volafotsy ny miaramila iray. Ela ny ela ka tonga nameno 999 , ny iray vao tonga ka lasa arivo ny tafika. Izany no naharaikitra ny tanàna ho Maharivo. Niakandrefana somary nihodina nianatsimo dia tonga teo Fihodinana ( Ambatonorina ). Hoy Ilaidama : « Aoreno eo ny toerana ». Nataon’Imerina fahirano Ambositra, nanao izay ho afany anefa ireo tafik’Andriamanalimbetsileo, na dia maro aza ny tafik’Ilaidama. Velona ny tifitra teo amin’ireo tafika roa tonta sy ny tora-defona , ary ny kapa famaky ; na ny andaniny Betsileo na ny ankilany Merina dia samy nahitana maty sy naratra avokoa , saingy tsy nitovy ny hery . Nanaovana aloalo na rarivato ireo miaramila maty an’ady ho fahatsiarovana azy sy mba hamantarana ny fasana andevenana azy ireo. Noho ny fahirano anefa dia noana sy nangetaheta ny tao an-drova ka nisy vehivavy , na ( Ampela ) iray niafinafina nitondra siny mba haka rano no voasambotra ary nentin’izy ireo tany amin’Ilaidama. Tsy resy mihitsy ny mpanjakan’Ambositra raha tsy namboraka ny tsiambaratelo ilay ampela azo sambo - belona. Inona no fady fa tsy zaka , hoy Ilaidama mantsy ilay ampela ? Alaivo ny lambamena sy ny ran’amboa ( alika ) mainty, hoy ilay babo, ana velona, natahotra ny ainy. Rehefa vita izay dia nampanaovin’Ilaidama an’io ampela io ny akanjony ka napetrany teo Ambatonaorina. Tsy hain’i Andriamanalimbetsileo ho vehivavy izy io fa noheveriny ho ilaidama ka hoy izy : « tsy maty ny telo noho ny dimy, ary tsy orana io ( izao ) poa-basy izao hitaika an’Ambositra ». Tamin’izany dia notondroin’ilay ampela , fa io afovoany manao fanorona io ny mpanjaka. Nitifitra Andriamanalimbetsileo ka ilay vehivavy no voa…Resy Ambositra hoy Ilaidama fa namono ny namany ; mba namaly tifitra ny mpanjaka Ilaidama ka voa ny mpanjakan’Ambositra. Nirohotra nibosesika niditra tao an-drova ny tafika, raikitra ny ady, tao ireo nitondra ny andriana , teo anivon’ny kianja , ka nolefonin’ireo tafik’Imerina izy. Nisy ihany ireo tafatsoaka nandositra ary anisan’izany ireo zanaky ny mpanjaka roavavy ; nenjehin’ny miaramila izy ireo ka namahana teo amin’ilay tanàna nahatratrarana azy ka hoy ny miaramila : « Aleonao ve ho maty hoy izy toy izay hanompo ? » Tsy hanompo ny Ambaniandro izahay… ka namahana teo . ary dia novonoin’izy ireo . [20] Tamin’ny ady nifanaovan’izy roa tonta dia mena ny rà ny renirano tao Mahalaina. Ozon-drazana fahiny ny Merina ary lehilahy sy vehivavy raha tafakatra teo Ambositra fahizay , saingy nihalefy izany noho ny fanambadian’ny taranaka maro nifandimby, satria samy nahazo tso-drano amin’izay vady tiany avokoa ny ankizy rehetra, mbola misy anefa ireo manaja ny firazanana mitovy andrianina. [20] Tamin’ny fankalazana ny volambetohaka faharoa dia namboarin’ny fanjakana Malagasy ny rovan’Ambositra sy ny fasan’andriana anankiroa ka namindrana ny taolambalon’i Andriamanalimbetsileo sy ny zanany. Ny Minisitry ny fanolokoloina ny zava-kanto revolisionera , Rtoa Rabesahala Gisèle , no nitokana an’izany ary ankehitriny izy io dia lasa fitehirizana ny rakitry ny andriana sisa. « Ity ilay vavahady fidirana tokana ao an-drova, misy vatolampy lehibe iray fanaovana fanorona fa hialohavan’io vato io kosa dia misy vato mifanongoa toerana nandevenana an’i Rainihanana , mba hatao famato. Io olona io dia nohosorana ody hatreo amin’ny lohany ka hatreny amin’ny faladiany, avy eo nalevim-belona mba hiarovana ny Merina na ireo foko hafa mety hiaka-dapa, indrindra fa ny fahavalo hisavim-panjakana. Avy ety atsimo no miditra, sady any rahateo ny vavahady fidirana ao an-drova » Io no fasana nilevenan’ireo andriana nifandimby tao Ambositra. 1.5.3.1 Antampon’ i Vinany [20] = Hitohy , tsy ho ela
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/romi-voos
Romi Voos
fanasina7
Rodana ianao, fa tsy nisy mba nitsetra Niàla maina avokoa, ny akôlitanao rehetra Na ilay filoha "werawera", nolelafinao vody Tsy nahavita n'inon'inona, mba nitondra anao nody. Ny fitsaràna eto Dago, no mety azonao vidiana Fa raha ny any an-dafy any... tena tsy azonao kôtiana Ny eto na ny mainty aza, tena azonareo fotsiana Fa ny any ivelany any, tsy hisy izany na oviana. Zakao ary ny hagegena, vitaonao re ny sazy Any am-ponja sisa ianao, no mba afa-mibalady Izahay dia mandatsa, f'efa tena mafy loatra Ity ngidin'ny kapoaka, ampisotroina anay vahoaka. 'Reo namanao koa, azafady mba hafaro Tsy vitsy izy ireo, fa tena maro dia maro : Mbola ho avy ny haizim-pito, hamangy azy tsirairay Ho fantany Andriamanitra, am' zay fotoana izay ! Fa 'reo volamenanay, ahondrany antsokosoko 'Reo hazo sarobidy, 'reo vatosoa maro loko Manan-jiny avokoa, mbola hanody aoriana Fa tena efa mamonto tany ... ny ranomasom-pahoriana. Romi Voos no lazaina, satria izy 'zao no tratra Fa mbola ho avy tsirairay, ny anjaranareo ao an-dapa ! (mpanoratsora-poana) - azo zaraina -
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ho-velona
TSY HO VELONA
Fredy Jaofera
TSY HO VELONA N'inona n'inona ny marainako mamoha andro vao sy mitady izay halamiko, tsy ho velona ange ny fiainako raha tsy misy anao hifanpitantana amiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maraim-baovao
MARAIM-BAOVAO
Fredy Jaofera
MARAIM-BAOVAO Maraim-baovao no mipoitra sahady, indro angataho 'zay tiana hianjady. Maraim-baovao no mamoha etoana, inty re anjakao ho feno haravoana. Maraim-baovao no mandrehitra asa, indro ampiasao hisosa izay kinasa. Maraim-baovao no manana hafatra tsara ho anao hitandro ny lafatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/nilaozany
NILAOZANY
AORN
Resadresaky Faly sy Joro (ilay nilaozan'olon-tiana)---Natao fitenin-jatovo F: O leisy !!! Fa nahoana moa elah No malahelo sy manjombona? J: Nilaozan-tiana leisy zandry a! De lasa saina tsy mah(a)tombona F: F’angah de tena fanamperana Lay tian’lah no manjoretra ? J : Ny saiko anie te hanadino e ! Ny fo tsy mety tafatoetra F: Fa raha amboarina ny fo De mba mitodika amin’ny hafa ? J: Tsy elah no manana ny ratra Ka maika ery no manatsafa! F : Fa maro anie leity ny tsara e... Tsy vitsy ny mitady toerana ? J: Ny foko anie ka mbola tara Ka tena tsy azoko ho ferana F: I Bako zao dia miandry fotsiny Ny vava latsaka amy ‘lah.. J: Tsy misy na dia potipotiny Na koa silaka fanahy F: Ary Vero sy ry Avo Efa ela nanantena? J: Tsy hoe izaho no mora lavo Dia hikaroka eny an-tsena F: Elah ty leisy hafahafa ka Ra(ha) zah elah tsy misy lavina J : Tsy hoe misolo de ho tafa F'ny ahy tsy mbola maina ravina F: Ka elah zao valaketraka Mivalo mainty ny tarehy J: Aleo aloha hipetrapetraka Fa Misy fatotra mifehy F: Andao aloha hirevirevy e Ajanony ny adin-tsaina J: Aza de mandevilevy oa Fa ny foko be taraina F: Ka raha izany elah avelako a Fa sasa-miandry reo akama J: Aleo hijanona ny tenako Raha tonga any aho tsy ho tamana F: fa radem aho miverina e Courage elah fa lehilahy J: Mbola betsaka ny harenina Ny ampitso Mbola mampanahy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rahoviana-vao-hiova-i-dada
HALEMEN'I DADA
AORN
Mamo izy dia narapany miaraka amy toaka tapany Reo atin-kena teny an-tanany, zay loaka ho an’ireto zanany Fa mila sambatra hono izy, ka mandefitra ny ankizy Ef’ela tsy nisotro djama dia avy miakatra an-tanana… Ny ao an-trano anefa miandry f’efa kepaka ry zandry Ny varisoa moa efa masaka fa najanona ny katsaka F'i dada no hoe hitondra loaka, nefa kay nisotro toaka… Dia nandroso koa ny alina, izy any fanimpanina Fara-herin'ny ankizy, lasana nitango angivy Soa fa Mbola nisy ihany, lay naniry an-tokontany... Dia nandrahoana tamy rano, fa tsisy menaka ao an-trano Nasiana sira mba hatsiro, f'efa ho faty koa ny jiro Dia naroso rehefa masaka, zara mira maty sasaka Nimosamosana aok’izany na dia ladina amy tany... Dia nitsiky indray i zoky, miramirana fa voky Saingy anaty malahelo, fa tanany ho tsiambaratelo Hoe lay Ray mba nianteherana, toa mandalo de miserana Dia manganohano irery, tsy niniana fa voatery Mijery ireto zandry kely, tsy mahalala velively Fa i dada dia mpimamo, tsy manaja tokantrano… Mba rahoviana ihany moa, i Dada vao hivaky loha? Ny ao an-trano dia mijaly, tsy mba afaka mifaly Isan'andro dia manjombona, noho 'reo entana miha-fongana amidy fa tsy misy vola, nefa i Dada ery midola... dia mimamo isan'andro, mandram-pialan'ny masoandro?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-toa-anao
RAHA TOA ANAO
Fredy Jaofera
RAHA TOA ANAO Raha toa anao no tonga amin'ny tena, be no handao ny alahelo mahonena. Raha toa anao no raozy izay mitranga, hisy ireo lalao sy hira hanangasanga. Raha toa anao no kintam-pahazana, hisy ao ho ao ny tsiky tsy hay ialana. Raha toa anao no mpamboraka fitia, hisy sioka vao ny fiadanana ho doria.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misaora
MISAORA
Fredy Jaofera
MISAORA Ny tari-dalana iray, na nahalala ny tsetra mbola tao ho ao : misaora amin'izay zava-mitranga rehetra amin'ny fiainanao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rp-vincent-rafenosoa
RP Vincent RAFENOSOA
AORN
Tonokalo natolotra ho an'i RP Vincent, Vicaire tao amin'ny Paroasy Manjakaray, ary voatondro ho Cure any Andilanatoby Ambatondrazaka Zovy tamintsika moa, no tsy mahalala azy Fa tena olona mavitrika, no sady tsy mitsoaka ady Vikera tsotra tena miavaka, no mpanompo tena havànana Mampiray ny isam-paritra mba handala fihavànana Fa Telo taona teo ho eo, no naha-teto anao Mopera Tsy nikoso-maso mihitsy no sady tsy mba nila dera Tao anaty tanjonao ny fitsidihina isam-paritra Hitaona ireo Kristianana ho mpanompo mba haharitra Fa ny tena nampiavaka, sy ny tena nahaliana Ianao nitondra aim-panahy sy nitondra hafaliana Ho an’ireo izay efa kivy vokatry ny tsy fanànana Saika hiala an-daharana sy hiraviravy tànana Ireo zay nila toro-hevitra fa tena reraka am-panahy Raha midinika aminao, toa misinda ny ahiahy Ny fahaizanao mihaino sy mizara traik’efa No manampy an’azy ireo hitràka tsy hirefarefa Mahaliana ny hafa koa, rehefa ianao mitory teny Tsy mba tia miolakolaka, fa mahitsy ombieny ombieny Nefa dia miantraika anaty, toa mitondra hamamiana Hafatra voafariparitra, no sady mora tadidiana Fa tsikaritry ny maro, ilay ianao mitsiky foana Na mihavovona sy maro ireo adidy manoloana Tsy mety tezitra hoy ny hafa, fa Mopera tso-piaina Nefa raha ny tena marina, ny Tompo no mpanolo-tsaina Fa hatairana aok’izany, raha nahare ny vaovao Hoe voatendry an-toeran-kafa, ka tsy maintsy hifandao Mila fanampiana ny hafa, amin’ny asa fisoronana Ka tsy maintsy miala eto, fa hifindra Fiangonana Tsy sanatria handao koràna, na koa handositra adidy Fa ny tendry avy ao ambony, tsy mba hanànana safidy Na satrinao aza hitoetra, hanohy ireo asa mbola miandry Dia ny hafa koa misisika ka tsy maha-tafandry mandry Tsy misy toerana voafetra ny amy sehatra iasàna Fa be ireo tany midadasika no sady mbola mikodàna Na any avaratra na atsimo, tsy misy azo hosakanana Fa izany no fitsipaka, rehefa anaty fikambanana Saingy nanoloana izany, dia nanaiky an-tsitrapo Ho Pretra tompon-toerana I Vincent Rafenosoa Efa fantatra sahady ireo adidy miandry anao Zay tsy vita moramora fa mila aina vaovao Isaorana mitafo koa, ianareo Trinitera Izay nanolotra tsy miato, ireo Cure sy ireo Vikera Mba hiasa sy hanampy hampiroborobo hatrany Ny asa soa sy fitoriana, izay manerana ny tany Hotsofin-drano ianao Mopera, hahavita ireo adidy Fa efa hatrany am-piandohana no nanaiky izay safidy ‘Lay Andriamanitra Mahery no hanampy sy hitàntana Fa ny tokim-panompoana, tsy maintsy hajaina sy ho tànana Hoy ‘zahay Kristianina: mahaleova, mahalasàna Enga anie tsy ho azon-tsampona, enga anie ka ho tamàna Sarobidy loatra mantsy, ireo adidy tsy hita hisa Hitaona ny fanahin’ny olona ho tonga hatrany am-paradisa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ayan
AYAN
NY Andri-Fara
Ayan Saya tidak tahu kenapa? Pergi: Dimana!? Kecemasan penuh dengan ketakutan! Air mata yang tak terkendali. Ke mana dan ke mana? Mungkin dia sedang berpikir…. Beginilah cara mereka berjalan; Untuk menyelamatkan hidupnya. itu ayah... Memikirkanku Tapi itu tidak ada dalam diriku lagi! Badabada ketika saya masih kecil. gabungan dua kata Dua kata digabungkan. Ketika saya tidak tahu... Yah ayah memikirkanku Ayah… Saya mendengarnya di sini di pagi hari Kesedihannya, bercampur dengan air mata; Air mata mengikuti Aku bisa mendengarnya semakin dekat denganku Bayangan kenangan. Kekasih telah pergi... Yang seharusnya berjalan beriringan. Ayah, bagaimanapun, tampaknya tidak terpengaruh Memberi makan untuk memberi makan untuk mendidik; Dia tidak akan meninggalkan kita sendirian, Untuk menghadapi hidup. Lewat sini; Saya ingat dengan baik Jika ayah memarahiku. Kalau saja dia bisa melayani ... Jangan sampai kita melupakan Tuhan. Ayah… Aku berkata: Orang kuat Sebuah perjuangan untuk harga diriku, Dia yang mengatakan...; Saya tidak akan menukarnya dengan milik saya.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/antsandrinolon-tiana
AN-TSANDRIN'OLON-TIANA
AORN
Fony vao nifankahita Ka nanandrana nitia Dia satry ery hiara-mita Ity fiainana eto ity Dia nandalo ny fotoana Latsa-paka lay fitiavana Lasa toa nifampitoana Nampitombo lay finiavana Dia nalaina hifandao Rehefa tapitr’andro hariva Fa ny fo tsy nety lao Te hiangaly feon’antsiva Rehefa tonga indray ny alina Nivadibadika am-pandriana Fa lay tsiaro anao dia lalina Tsy mba nisy natoriana Nony tonga ny maraina Satry hitsangana avy hatrany Fa ny fo toa mitaraina Te hahita anao ihany Raha niresaka I Dada Tsisy niditra ny loha Fa maika ny hifanatri-tava Sy hifamihina ihany koa Dia namboatramboatra endrika Ka nibangobango volo Fa tsy avelako ho rendrika Lay afo anatina mololo Raha nivoaka indray ny trano Te handigana arabe Tsy nahoaka izato rano Mila hananika ny fe D’iny fa mamono tena Miazakazaka aok’izany Ka na kotsa sady lena Dia niafiako teny ihany Dia iny ianao fa efa niandry Tazako avy lavitra any Toa nanipinipy sandry Hita faly sesilany Dia indro isika nifanena Nifamihina tsy niala Ny fo no efa manantena Fa eo anilan’ny Malala Hasambarana aman-tany Tsaroana ery ny hafaliana Sady lavitra tomany Rehefa antsandrin’olon-tiana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rf-ravakiniaina/manova
MANOVA
RF Ravakiniaina
MANOVA Dieny mbola ts'isy fatotra Dieny mbola ts'isy geja Raha fiarahana tsy matotra Aza manefy rohy tsy hateza Dieny mbola ts'isy ratra Dieny mbola ts'isy folaka Raha efa tsapa fa tsy zaka (Dia) aleo hiakatra ny soratra Dieny mbola ts'isy antoka Dieny mbola ts'isy vina Raha efa hita fa hidaboka (Dia) aleo mamadika ny dina Dieny mbola ts'isy taiza Dieny mbola maitso volo Raha efa hita fa tsy hankaiza (Dia) aleo manova ny tontolo Pejy hafa indray
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maraina-mangina
MARAINA MANGINA
Fredy Jaofera
MARAINA MANGINA Maraina mangina ny marainako etoana maneho fitokiana sy mivoy haravoana. Maraina mangina mamoha andraikitra tsy tia hakiviana fa tonga dia raikitra. Maraina mangina mamelons ahy adidy izay mba irariana ho eo ihany ny safidy. Maraina mangina manan-drivo-baovao ka indro ampiana vetsovetso toy izao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-alika
NY ALIKA
Fredy Jaofera
NY ALIKA Raha adika, antitranterina izay ao an-dohany dia ny alika no miverina amin'ny efa naloany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-zanako
Ny zanako
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ilay tena hasambarako Hameno ny hafaliako: Ny fahendren'ny zanako Mandritra ny fisiako. Ny tena ihafiako Mandritra ny ahavelomako Dia ho an'izy tiako No antony hitolomako Ny teny faniriako Any anatiko any Dia 'zay ho fijaliako Hahasambatra azy hatrany Ny fara-fitiavako Tsy haiko tanisaina Ny tokiko sy voady Tsy maintsy tanterahako Dia ny tonombavako Ho azy isa maraina Hilofo sy hitady Hatramin'ny fara-fahafahako Ny fara-famelana Tsy azoko nomena Ho an'ireo nifona Tonga tanatrehako Ny fara-fangatahana Tsy maintsy ho nolaviko Ho an'ireo sakaiza Sy namako hatrizay Rehefa eo ny zanako Tsy maintsy hatolotro azy Izay fara-fandeferana Angatahany amiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mahavidy
TSY MAHAVIDY
Fredy Jaofera
TSY MAHAVIDY Hoy ny didy tsy hita hifarana, na ho tola : tsy mahavidy fahasambarana ny vola.