url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tendrymisitery/dada-sy-neny
Dada sy Neny
tendrymisitery
Dada sy Neny sakaiza Izay niaritra ny mafy Niampofo sy nitaiza Ny onjam-piainana nifafy Indreo fa miainga vao maraina Hamorona ny tsy ampy Tsy mba misy horaka ny aina Ny havizanana miampy Tsy mahalala vizana izy Ho an'ireto ankizy Mitady vola isan'andro Mba hividianana nahandro
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tsy-ho-adino
Tsy ho adino !
Vetso mena
Mety ho sarotra ihany Ny hanadino ireny lasa Hatramin'izao mbola tomany Mahatsiaro hoe rava Tsy nampoiziko velively Hifarana toy izao Tsy ho afaka ny hanery Ka dia naleo hifandao Hatramin'izao tsy adinoiko Fa miraikitra ato am-poko Tsy mba mety ho foiko Tsy voafafa na voavonoko Nilazako hoe tsy tia Dia laingako avokoa Fa mbola ato ilay fitia Tokana tsy nanam-paharoa Sarotra amiko ihany Raha ny hanadino anao Fa ajanoko ny tomany Fa efa ela no nifandao Sarotra amiko koa Raha mbola hifankahita Fa tapitra ny antsika roa Ka hifandao, tsy ho tia Fa hoy ianao tamiko izay Tsy ho fantatra ny ampitso Iriako ihany isika ho iray Ka hifamela izay nahadiso Hajanoko aloha ny tomany Fa handroso amin'ny fiainana Hitady izay rehetra mamy Fa ny ampitso mbola ankamantatra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felana-radoniaina/fanalahidy
Fanalahidy
Felana Radoniaina
?️?FANALAHIDY?️? Misy lova iray avy amin'ireo razambe Nifandimbiasan'ny taranaka hatrizay Tsy inona izany fa ilay fanalahidy Izay tsy novidiam-bola ary tsy azo hamidy. Nisitraka azy io aho ka nahatsiaro sambatra Izao ianao efa lehibe ka omeko anao indray Ity fanalahidy ity ampiasao finaritra Dia hiadana koa ianao ho toa anay Mba fantatrao ve ny fomba hampiasana ilay fanalahidy Andraso hatoroko anao hoe inona ilay hovohana Ny fahasambarana ao an-tokantrano mantsy mety mihidy Satria ireo olana maro be tsy mba azo hialana Dia ny fanalahidy ry Bozy sy Koto no ampiasao Tsy inona fa fitiavana, fifanajana, fifampiresahana hatrany Ny mifampikitakita, mifanevateva, famonoana hialao Satria manidy ilay fahasambaram-pianakaviana izany Marina aloha tsy maintsy misy foana ny olana Fa tsy isan'andro koa dia hoe ho avy foana ny orana Ampiasao ilay fanalahidy omeko anao amin'izay Dia ho hitanao fa io rahona io hisava indray Ianao angamba mahita ny fiainana ato an-trano Misy ihany ny adiady fa voalamina vetivety Nampiasainay ilay fanalahidy fa tena tsy angano Mifampiresaka izahay mifanaja dia nety. Koa tiako hisitraka izany ianao anaka Ary mba hampitampitao amin'ireo taranaka Fa zavatra kely no ilaina mba hiadanana Dia ilay fanalahidy Izay mora hananana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taniezaka/tononkalo-farany
...TONONKALO FARANY...
Taniezaka
"Ity no redirediko sy tononkalo farany" Sisa fara-sentoko tsy mbola lasa feo Ity no ainga sisa mamaritra ny anarany Sisa farim-peon' ny tomaniko hanikeo, ...nanontsina ny foko "Iriako tsy handoko tahak'izao intsony ny hoaviko rehetra. Tsy tiako hiverenana ny raozy misy tsilo fa 'ndraindray mahery setra. Dia lasa tsaoka lesona no hany zava-tsoa mba azo taminao nananatra ahy ianao fa mahaiza mankatia amin'ny olona vaovao ...Fa ny antsika tsy anjara Raha vakiana ny tantara dia izao no tena adala mora babo loatra Ny vava tsy mahay fa efa noratraina dia mbola sahy nisaotra izany no mamintina ny fo sy ny fisainaiko raha tena hoe faritana malemy dia malemy , rehefa tojo fitaka dia saro-panasitrana ... fa olona marefo Veloma sisa omeko fa izay ny voatsiram- bin'ny tanako ankiroa fa ny tapaka forohona , ny sary sy ny sisa aleo ho vakoka ato am-po Tsy hotsaroina ireny fa fanomezan-kasina "ny lasa tsy adinoina" Mitso-drano anao aho fa ny lasana rehetra azonao vonoina. ...Izay no fara-teniko!" Tsy hiaona intsony isika , haiko fa izay no tena andrasanao Veloma aky malala ah , mety any am-parany any vao hita indray ianao Hamafa ranomaso aho fa tsy hitavandra aminao izany intsony Dia hitia olona aho , irariako mba ho olona iraky ny ambony!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahatokisan-tena
FAHATOKISAN-TENA
Fredy Jaofera
FAHATOKISAN-TENA Ny vonim-pandresena azo ambara fa mahay mamoti-pahavoazana : ny fahatokisan-tena izay tsiambaratelo iray amin'ny fahombiazana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/nisaona
NISAONA
Rabarison Roberto Stephan
Izy toa nanjary nisaona Nanantena ilay fitia ho paradisa Hoe any aoriana any mbola hihaona Sy hanantateraka ilay visavisa. K'anefa anio toa lasa zava-poana Ilay fitia tsy nety vita. Toa niserana sy foana Izy toa nanjary nisaona Nanantena fa ianao eo foana Tsy mba ho resin'ny fotoana K'anefa indrisy. Tapitra izany Nanantena ilay fitia tsy lany mamy Taty aoriana toa nivadika tomany Izy toa nanjary nisaona Ary tsy mba nanantena intsony Ny hitady olon-kafa ampifaliany izany fony Fa navelany ho irery Tsy mba nasiany hoe an-tery Fay tena fay ary tsy nanantena intsony Aleo hono hijanona amin'izay, fa zay no mampifaly izany fony
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/i-neny
I NENY
AORN
Neny, Fantatro ny fihafiana Niaretanao fahiny Raha mba nanam-paniriana Ireto zanakao dimy... Ny lahimatoa toa rovi-damba Tsy mba nanana hanoloana Pataloha voatampi-jaitra No efa nentiny aman-taona Zato vaviaivo kosa Mila boky mba hianarana F’efa bedy tan-tsekoly Lay mindrakindrana amy namana Fa lay lahy manarakaraka Midongy kapa tsaratsara F’efa tena rotidrotika Lay tao ambany farafara Fa ny tena manahirana I Faralahy midongy lava Ka mitaky tsisy farany Sady miaraka amy vava I bozy kely an-trotroina Vao tsy minono dia tomany Tsy nahasaraka amy Neny Ka lanjaina eny ihany Saingy teny foana I Neny Tsy nikoso-maso hatrany Namaly ny hetahetan-janaka Na dia arahana tomany Mbola hafa ianao ry Neny Mahay mihafy na dia lanaka Fa ambony mihoatra lavitra Ilay fitiavanao ny zanaka fa tsaroako hatrany hatrany Lay anatrao madinidinika “Ny hatanorana handalo ihany Ka mahaiza ianao mandinika” Ho tahiana anie ianao Ry Neny tsy mba nialangalana Fa matoa aho toy izao Dia teo ianao nanolo-tànana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/noho-ny-amini-dada-90-taona
Noho ny amin'i dada 90 taona
anarim
Noho ny amin'i dada, sivifolo taona Tononkalo vao no indro izao ateriko Tompo ô ianao no tanjako sy heriko.... Ny Anaranao irery no indro ankalazaiko Ianao r'llay Tsitoha no mbola andrandraiko Isaorako eto anio ny sandrinao mahery Nitantana ny dia ka tsy mba nisy very F’indreto tafavory tena an-kafaliana Miramiran-tava, feno fitsikiana... Eny, tena faly, dibok’haravoana Noho ny amin'i dada, sivifolo taona Fitahiam-be, tsy takatry ny saina Avy Aminao ry Ray, Ilay nanome ny aina.... Koa indreto izahay manolotra ny saotra Ho anao ry Tompo, avy ao am-po miloatra Mankatelina e! fa nataonao mirindra Ny fiainan'i dada, tsy lavo raha mamindra Koa dia mankasitraka, misaotra indrindra Ray Fa sivifolo taona androany i dadanay Famindram-po sy koa fahasoavana Avy Aminao ry Tompo, ny fiainany raha mavana Na nisy irony banga fony nandao i neny Nomenao hery dada, ka niroso ombieny Nitraka sy nitsinjo hatrany anay taranaka Izay tokoa i dada, tena tia zanaka... Tsy izahay naterany ihany anefa izany F'ireto ondry maro, adidy eto an-tany Nizarana soa sy vaovao mahafaly Ho tonga voavonjy, lavitry ny jaly... Koa ny andro anio, dia tena andro miavaka Natokanay indrindra mba hitrotroana am-bavaka Ho anao ry dada, arahabaina manoloana Fa indro nahatratra ity sivifolo taona Ao ny Tompo mahalala, Izy hatrany no aoka handidy Hampitahiry ilay finoana, volamena sarobidy Ka ny ankoatry ny anio, s'izay ampitsony rehetra Mbola ho ampoky ny soa sy fifaliana tsisy fetra. Koa soàva sy sambàra ry dadako malala! 10 Oktobra 1933 - 10 Oktobra 2023
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ifamalio
IFAMALIO
Fredy Jaofera
IFAMALIO Fitia mifamaly no tena fitiavana amin'ny fo faly sy fankatoavana. Fitia mifamaly no hasambarana, sady voangaly azo amaharana. Fitia mifamaly no firavoravoana, na tsy mamaly amin'ny irosoana. Fitia mifamaly no toky eto ihany rehefa atotaly izany rehetra izany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/nitsipa-doha-laka-nitana
NITSIPA-DOHA LAKA-NITANA
AORN
Fony Mbola kely ianao dia nomeny fahalalàna sy nampianariny namindra Tsy nataony ankilabao, tsy nasiany fanavahana, fa nokoloiny ho soa indrindra Fananarana nataony, fitenenany masiaka, indraindray mandratra fo Ho anao zay zandry tena tiany, zay nandaniany ny androm-piainany fa tena maminy tokoa Ny lalam-piainanao nodiavina, nanehoanao hafaliana, nisitrahana hasambarana Notefeny ho tafita, hahay hiatrika ny fiainana, sady tonga fianarana Dia nitombo teny ianao, nahay nikaroka ‘reo tsara… mba hampitombo fahalalàna Sehatr’asa maromaro, miampy andraikitra iantsorohana, noraisinao ankamoràna Fa nivadika ny taona, nahazo fahefàna ianao, nahazo toerana ambony Dia nivadika toy izay, lay toetra nahalalany anao, toa tsy tso-piaina intsony Naleonao ‘lay fihavanana, no zary lasa ampandeferina, ny vola lasa tompon-daka Ka ilay hany fiangaviany, raha tojo olana nandalo, nampianao eso tsy mba zaka Vitanao ny mampiteny ireo galona sy ny hafa sady miampy fandrahonana Ny haino aman-jery aza, vitanao narangaranga mba hanampy izay fatorana Fa raha misy koa ny farany, tsy foana ilay fanantenany, mbola ho avy ny marainany Raha Andriamanitra tsy andry, ho andriny eny foana ihany, mbola hamaly ny tarainany Mitandrema ihany zandry, fa ny tany anie malama, ny ambony mety ho lasa ambany Tsy manenjika izy akory, ny tody hono no tsy misy, ny atao miverina eny ihany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/vavaka
VAVAKA
IALY NOFY
VAVAKA TOMPO O! INTY ILAY ZANAKAO mIVERINA FA MANIA nANDAO ILAY AKANINAO NADITRA NANAO NY TSY FANAO . MIFONA AHO FA TSY NANARAKA NY SITRAKAO NANARA-PO TOKOA ; NANARAKA IZAO TONTOLO IZAO ANKEHITRINY MIOVA NY DIA HIVERINA AMINAO SATRIA IZAO ILAY VERY KA HITA INDRAY. MARO IREO ADALANA NIFANGARO OTA NANARA-PO TOKOA SATRIA NADITRA MIFONA FA HATRAMIN'IZAY DIA JAMBA NY MASOM-PANAHY NY FIAINAKO REHETRA DIA NANJAKAN'NY DEVOLY RAISO TOMPO IZANY VAVAKO IZANY ARY MANGATAKA AMINAO MBA HAMELANAO MANDRAKIZAY IZANY TOMPO O!NO MBA TENIKO MINO AHO FA AHAZO NY FAMELAN-KELOKAO ! amen
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/iarivo-tsy-foiko
IARIVO TSY FOIKO
AORN
Ry Iarivo tanàna tsy foiko Lay vohitra manantantara Nambabo ny saina sy foko Ny hakantony soa sady tsara Toerana tsy ho adinoina Tandindon’ny fahazazàna Fa maro no tsarotsaroana Namefy ny hatanoràna Raha sendra vahiny mandalo Tamàna sy raiki-pitia Dia velon-tsiosioka sy kalo Finaritra sady hankafy Iarivo nidoladolàna Nandrehitra hafinaretana Ny embona anao no mazàna Mijanona an-tsaina ho raiketina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/zavaboary
Zavaboary
Frederic Rnf
Tsy misy masahy milaza hoe za tsy mila Na tanora na zaza indrindra ireo Ray aman-dReny Fa de samy mihanoka fitia eo anivon'ny zavaboary Mankafia ny natiora sy ny hamamin'ny tany Ny zavaboary dia singa maro mipetraka Manodidina ny olombelona mizara fasambarana Manokatra ny saina sy mamelona ny fanahy Manala sorisory rehefa reraky ny fiainana iny Rehefa enao manirery iny ka tsy mahita namana De makanesa eo andavaky ny vitsika zahao zay ataony Mba ataovy lesona ny soa izay fanaony Ny fifanampiny ra toa ka misy zavatra mavetra Mba renao ve ny feon’ny vorona misiotsioka ao anala Mandrotsirotsy ny hatim-panahy manafaingana ny dihy Maporisika antrany na de efa rerak’aokizany Manome fanantena toa milaza hoe aherezo fa ho tonga Rehefa taom-pahavaratra dia maintso mavanana ny Tanana Miara misalahy avokoa ireo voary isan-karazany Velona toin’ny lamako ny fanantenana ao anaty Satria miandrandra vokatra tsara amin’ny fotoam-pinjinjana Ny zavaboary dia manana ny kantony sy ny hanitrany Fialam-boly tena tsara ho an izay ty sy mikarakara azy Tsy manavakavak'zay te hiaraka hitakosokosona aminy Fa mamela ankalahana mihintsy mihandry izay te ho topony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasika-fahagola-sy-faha-mpanjakatohiny
MADAGASIKA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA....Tohiny
NY Andri-Fara
MADAGASIKA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA....Tohiny [ Ny Poléocologiste . Simon Haberle de L’ Australien ; tao amin’ny : National Universty . S.A.A , na Society for Americain Archaecology . Dia nahita tao Atsimo Andrefana, ny taolana gidro lehibe milanja 150 Kg ; Izay efa nisy teto ny taona 700 na 1000 taona talohan’ny fiforonan’ny Nosy Madagasikara. ] 1.3.2. Ny Tontolo ao anatiny sy ny manodidina azy : a-Ny Taovoliny : Kolontsaina niraikitra tao anatin’ny maha Gasy mihitsy ny fikojakojan’ny taovoliny ary lasa zary nifaninanana mihitsy izany. Fa sady haingo izy no maneho ny maha samy hafa azy eo anivon’ny fiaraha-monina . Ireo Vondron’olona nisy sy natanjaka teto anivon’ity Nosy ity dia samy naneho ny taovoliny avokoa . b-Ny Sakafony : Anisany nahafantarana ny Malagasy ireo nahandro Gasy ary mirakitra ny maha izy azy ny Firenena mihitsy izany . Ireo sakafo ireo dia nanjary kolotsaina raiki-tapisaka amin’andavan’andron’ny Malagasy . Ka raha tsy misy ireo dia manafoana ny maha Firenena , ka tsy maintsy mihinana azy ny olona isan’andro isan’andro . Ireo sakafo ireo ihany koa dia hita mampiavaka azy amin’ny Firenena hafa. Ity Koba katsaka na solovolo Malagasy ity dia mifanojo indrindra amin’ny sakafo Asiatika satria fomba fahandro Indoneziana ihany koa , kanefa dia hita sy atao ary hanina eto Madagasikara ary manao azy avokoa ny Malagasy anivon-tany na any anindrana rehetra any . Taratra mampiseho fa avy any amin’io faritany iray any Asiatika io ny Malagasy . Raha tsiahivina kely ny mahakasika ny sakafo , dia tsy azo lavina fa saika mitovitovy avokoa , ho an’ireo firenena mihinam-bary ny fomba fahandro izany , saingy teo amin’ny fangarony na ny taharony no tsy nisy hitovizana . Ny Firenena Aziatika na ny Eropeana na ny Afrikana , dia saika nifanipaka ny fomba fahandro sakafo , ny fikarohana anefa dia manamafy fa taranaka nivoaka avy ao : “ MU ” na ilay sombin-tany nihalevona ny ankamaroan’ny mponina nielim-patrana . Ny Malagasy anefa rehefa mahandro vary dia tsy maintsy , vary tondrahan-tantely na sosoa na nilaofana varanga na kitoza matavy no tena fahandrony . Tsy ambaka izany ny vary amin’ny anana . Mbola isika Malagasy irery ihany koa mandoro vary , mba hisian’ny ranon’ampango [3] . Tsy misy manao izany eran’izao tontolo izao ary tsy mahafantatra izany . d-Ny Fomba Fitafiny : Raha ny taona 1867 - 1800 , tany ho any no jerena dia : Toy izao amin’ny ankapobeny . « Ny volo rosarosa na vontsitonga, ny nify maintisina amin’ny laingo na bongo na tambolo, ny sofina tevehina dia itarina miandalana amin’ny votoatin’ny taho-mangahazo, dia tonga malalaka omby ratsatanana aza. Izany no atao hoe : haban-tsofina na lava-sofina ka nataon’ny betsileo hoe : Ambaniandro lava-sofina » ny tombonkavatsa koa no haingo fanaon’ny vehivavy. Ny tratrany ambony ambanin’ny tendany iny asiany soratra ohatran’ny somotravaivy , dia ny sandriny ambony hasiana tahaka iny koa …izao ny fanaovany azy : soratany tsara aloha dia arahiny tsindrontsindrominy fanjaitra asompirana dia asiany ranon’anamamy sy arina. Amin’ny zavakanto nentim-paharazana amin’ny firenena iray ny « fitafiany », indrindra raha manana fitafiana mampiavaka azy amin’ny hafa izy. Ny lamba malagasy dia azo lazaina ho isany, satria vitsy dia vitsy eto ambany masoandro no manana io karazam-pitafiana izay noharin’ny maro amin’ny « toga » nentin’ny Romana fahagola, na ny « sari » indianina, ny « mantille » fitondran’ny andriambavilanitra espaniola. Nefa mbola hafa noho ireo rehetra ireo ny ravin-damba notenomina tamin’ny rongony na kiran’akondro, na landy. Ka antsasam-pahadimy, roa refy sy sasany no refin’ny lamba iray. Raha tsy natambatra roa mitovy avy amin’ny lavany mba ho efajoro tsotra izy dia mitohy indray dia atao hoe : lamba tohy loha , no anarany. Tsy mba fitafiana enti-mihaingo ny lamba tohy loha . Tsy hilaza intsony ny momba ny lamba fanenomana sy ny karazany isika, fa ny fomba fitafin’ny Malagasy no horesahintsika eto . Mizara roa ny fomba fitafin’ny Malagasy teto Imerina : dia asampina na io isikinana . Ny Fitafin’ny Lehilahy : Misy efatra ny fomba fisampin’ny lehilahy lamba : Sampin - kavanana na Sampin - kavia na Sampindroa na Sampim - balaka . Sampin-kavanana : Asampina tsara miankavanana ny lamba, izany hoe : asampina avy any an-damosina , ahantona avy ao antsoroka, ka avela hikiraviravy, ny tànana havia amin’izany, mihazona ny ilany aty anoloana, fa ny tànana havanana kosa, mitana ny ilany iray, sady manasampina azy mankany amin’ny soroka havia manindry ilay efa eo. Sampin-kavia mifampisolo ny tanana, ka ny anjaran’ny havia dia ataon’ny havanana, ary ny tanana havia no manasampina ny lamba hiakavanana. Ity sampan-kavia ity, dia fisampin’ny olona kavia, no sady hizaran’ny olona tia haingitraingitra taty aorina rehefa tsara akanjo ny olona. Betsaka ny karazan-damba vahiny mampiseho soroka havanana, indrindra ny tovolahy mpihaingo mba hisehoan’ny tena. Sampin-droa afolaka miakatra avy any an-tsoroka havia ihany indray ny zoron-damba: raha sampin-kavanana, dia akarina amin’ny soroka havia, raha samy afolaka an-tsoroka roa kosa izy roa, dia izany no atao hoe : sampan-droa na manao fola-droa no filaza azy. Ny lehilahy lehibe mihaja indrindra no misampina toa izany. Sampim-balaka ilay fola-damba kosa no alefa any ambany helika, fa ny anankiray atao an-tsoroka ihany. Ny olona manao raharaha andavan’andro no manao ity. Raha mangatsiaka ny andro dia isaromana hatrany an-tampon-doha ny lamba. Ny lehilahy tsy dia be resaka ihany koa no misarom-bava. Ny Fitafin’ny Vehivavy : Tsy mamolaka lamba fa dia nasarebany fotsiny amin’izao ny lamba, na mba nisy noraisina ihany koa, saingy mba nataony niakatra kely ny ilany, ka indraindray dia atao amin’izay maha-mevameva ny bika. Ny Fomba Fisikinana : Misy fomba efatra ny fomba fisikinana : sikim - ponitra na sikin - dahy na sikim - bavy na sikin - tratra . Ny Sikim - balaka : Ahodina amin’ny valahana ny lamba ka ampifanindrina, sady indray aforitra kely ny sisiny, ka asisika tsara tsy hivaha. Ny Sikim-ponitra : Dia tahaka io ihany, saingy atao mafy tsara. Fomba fisikinan’ny olona mivonona hanao asa mafy. Ny Sikin-dahy : Mitovitovy amin’izy roa ireo ihany koa, fa araka izany anarany izany, dia ny lehilahy no mpisikina azy, na dia manao toy izany indraindray ihany koa aza ny vehivavy. Sikim-bavy na sikin-tratra. Akarina hatrany ambany helika kosa ny sikina amin’io, dia toy izany hitantsika tazomin’ny vehivavy tanindrana. e-Ny Fomba Fiteny sy fanisana : Isika Malagasy dia miaina sy miteny tahaka azy ireo ihany koa, fa ny fomba fanoratra no tsy mitovy. Ry zareo Malays, ohatra dia miteny hoe : Anak ary isika, manonona sy manoratra hoe : Anaka ; izay samy hiantsoana ny zanaka avokoa. Ny Afrikana ohatra raha hilaza ny : Omby araka ny fiteny taloha hoe : Jamoka dia Angumbi no hilazan-drizareo azy. Mikasika ny isa na ny fomba fanoratra kosa dia manan - kambara ihany aho. Tsy mba nanoratra ny Ntaolo fahizay, fa ny azy dia ny : Soratra miteny Ny hita maso rehetra sy izy tenany no Soratra miteny ho azy ary velona tao am-pon’ny olona tsirairay ka nampitaina mivantana na ankolaka. Ny Foko Antaimoro kosa dia efa nahay sy niaina ny Soratra Arabo natao hoe : Sorabe[5] saingy tsy nihitatra tamin’ireo Foko nanodidina na koa tsy mba nampiharina. Noho io Foko iray io ho loharanon’ny Fanandroana ka niavian’ny Sikidy angamba ka dia notazoniny ho azy irery ny fahalalana avy amin’ireto Arabo razany. Diso tena diso ny fiheveran’ireo mpikaroka manam-pahaizana ny fivoaran’ny teny Malagasy , izay azo heverina fa manimba ny zohi-kevitra entina hanatsarana ny teny, satria misy ny teny roa samy mahaleon-tena , kanefa terena ho iray, tsy sarahana tsipi-panohizana [6]. Mikasika ny isa izay mahabe resaka eto amin’ny Firenena ihany koa . Tsy nahay nanisa ve ny Malagasy raha tsy tonga teto ny Anglisy na ny Frantsay nampianatra izany ? Tsy marina izany. ... Toy izao no fanaony : Raha omby folo ohatra ny azy dia misy vato folo eo hanisany azy, izay tsy miala any aminy mihitsy izany ; ary raha nitombo ny ombiny dia manampy na ampiany ilay vatokely na ny hazokely .Tafiditra avokoa ny omby folo, mitovy isa amin’ny vato, kanefa mbola misy tavela eo; dia tsy azy ka tadiaviny ny tompon’izany. Fa raha sanatria kosa, tafiditra avokoa ny omby; kanefa mbola misy vato tavela dia tadiaviny kosa fa latsaka ny azy. Arakaraka ilay isan’ny vato no hanamarinany azy . Araka ny fomba fanisana Malagasy hatramin’izay dia ny ambiny no mandeha aloha. Ohatra hoe: “ 1967 ” dia vakiana hoe : « Fito amby enim-polo sy sivan-jato sy arivo » , fa tsy hoe : « Arivo sy sivan-jato, Enim-polo, Fito amby » . Tsy fantatro na fanisana avy aiza no mitady hampiharina eto amin’ny Firenena na izany tokoa ny atao hoe : « Fanatontoloana » fa mivaona tompoko. Ny fomba fanisana « Electronique » dia raisina amin’ny Fomba Fanisana Frantsay, ka ny ampolony no mandeha aloha. Andeha ho raisintsika indray ny ohatra ery aloha. Vakiana sy soratana ary apetraka mialoha amin’ny « Calculatrice » toy izao izany : « Milles neufs cents soixante sept ». Ny antsika miankavanana vao miankavia, fa tsy miankavia vao miankavanana. Tsy bado ankory ny Malagasy, manoloana ny fivoarana eo amin’ny « Technologies » avo lenta fa maharaka ny toetr’andro. Efa ho 100 taona izao nampiharana an’io fomba fanisana io teto Madagasikara ary mbola niainanay izany nanomboka teo amin’ny garabola ka mandrak’izao. . . . Ary isika Malagasy irery no mampiasa izany amin’ny Firenena maro eto an-tany. Ka asakasak’izay te hanova fa mbola ho tsarain’ny tantara tompoko. [ Na ny Mpisikidy na ny mpivarotra andevo , dia samy isa avokoa no nampiasainy ary tsy isalasalana fa nitovy amin’ny fanisana tranainy ] f-Ny Trano Malagasy fahiny : Saika mitovitovy avokoa ny trano misy eto na izy : Trano bongo na trano terilatsy na trano falafa na trano hazo sy ny trano vita biriky tanimanga na tany amin’izao fotsiny . 1.4 Ny Mpihavy Tsy isalasalana fa maro ireo mpihavy avy any andafin’ny riaka , tamin’ny alalan’ireny sambo sy lakana ireny no tonga sy tafaharo tamin’ny teto. Anisan’ireny ny Arabo, ny Malaysia, ny Polynesia, ny Indonesia, ny Afrikana, ny Indiana, ny Frantsay, ny Portugais, ny Sinoa ary ny Melanesians sy ny maro hafa. Ity Nosy ity mantsy dia ivon’ny toeram-pivezivezena. Ireo Betaolo ireo dia nifangaro tamin’ireo mpihavy Arabo ka nahazoana ny Antalaotra izay Safiotra, toy ny safiotra Makoa na Karana, Nilokita, Persiana, izay nifangaro tamin’i Kibosy avokoa. Tatsambo mahay izy ireo ary efa nisy ny Kibosy izay mpandika ny Tenin’Ingahy Jacques Cartier, raha tonga voalohany tany Canada ny tenany. Maro ireo Olo-malaza Amerikana no sahy mitonona fa manana fihaviana Malagasy na razana Malagasy toan-dry Lucy Clarcke, Roots Web, Alexander Gordon , Anne Petry , Wendy Wilson izay mpivarotra Amerikana ny rainy fa Malagasy zanaky Boeny ny reniny.[ Tsy adino : Ny Sinoa ; Karana; Grika ; Jiosy ] Tsy azo lavina tokoa fa toeram-pitodihana nahafinaritra ireo mpifindra-monina raha i Madagasikara . Teo aloha ny maha tany na toerana mahatamana sy mahafinaritra ary ahitana morontsiraka midadasika kokoa . Na dia be tazo aza ny toerana sasany dia tsy nataon’izy ireo sakana izany , satria efa nahay fanafody ny vazaha nanoherana ireo karazana aretina nisy teto , na izany aza anefa dia be maty ihany ireo mpifindra-monina ireo . Nisy ny nentin’ireo havany niverina tany an-tanindrazany ny nofo mangatsiakan’izy ireny fa nisy kosa no nilevina teto an-toerana . Namela taranaka maro izy ireny ary efa mifangaro amin’ireo tena Gasy ray sy reny , ary hita eny ihany fa nisy fifangaroana tamin’ny taranaka telo na efatra aty aoriana . a-Ireo vahiny nahita an’i Madagasikara : Azo zaraina telo miavaka tsara izy ireo tany amin’ny 450 taona mahery tany ho any. Voalohany : Tao ireo mpisava làlana fotsiny . Faharoa : ireo tonga noho ny tsy fidiny. Ary ny fahatelo : ireo nitady hamaharana sy honenana teto mihitsy. Tena sambo mpiady no nentin’izy ireo teto. Ilay Portioge izay Kapitenin-tsambo atao hoe : Diégo Diaz, izay saika ho any India; saingy tafasaraka tamin’ny namany no nahatonga azy teto. Ny 10 Aogositra 1500 , ary izy no nanome ny anarana hoe : « Saint Laurent » izay niantsoana an’i Madagasikara tamin’izany fotoana izany nandritra ny 100 Taona. ( 1500 - 1587 ) izay nifandraisantsika tamin’ny Eoropa ara-barotra. Tonga teto indray ireo Kapitenin-tsambo sy Komandy amin’ny Sambo Portioge: Alfonso d’ Albuquerque, Diego Fernando Peteira, Fernan Suarez, Tristan da Cunha. Izy ireo no nanova ny tendron’i Madagasikara avaratra ho Cap Natal , tamin’ny Noely 1506 , izay niova ho Cap d’Ambre ankehitriny.[ Marihina fa i Manoel , no Mpanjaka tany Portioge tamin’izany fotoana izany ] Tonga teto indray ny Holandey saingy nataon’ny rohifoza ka tsy tamana ary matin’ny tazo mahery. Nanoratra momba an’ity Nosy malalantsika ity i Von Lindschot ny Taona 1628 dia ny voambolana Malagasy sy Maley izay nataony tany Amsterdam. Niditra koa ny Anglisy tamin’ny Taona 1640. Tsy tanteraka anefa izany noho ny raharaha anatiny izay nanahirana ny Fanjakana Anglisy. Azony ihany anefa ny faniriany, saingy i Maurice indray no nokendreny ho zanataniny, tamin’ny Taona 1814. Niditra teto indray ny Frantsay tamin’ny Taona 1643, ny hanao zanatany no masaka tao an-tsainy. Ireo Firenena roa ireo mantsy dia nifaninana hanana zanatany aty amin’ny ranomasim-be Indiana. Nanorina Fikambanam-barotra iray tany atsimo ny Frantsay ; izay natao hoe : « Compagnie de l’Orient », ary Ingahy Pronis no notendrena ho amin’izany tamin’ny Taona 1643 , ary nivantana tao Mangafia, helondranon’i Sainte - Lucie ankehitriny, avy eo tany Tolangaro Fort - Dauphin. Tsy matotra anefa i Pronis, ka nosoloina an’i Etienne de Flacourt ny Taona 1648. Novaina ho « Compagnie des Indes Orientales ». Saika sahirana ihany ity nandimby an’i Pronis ity noho ny hadisoana vitany ary voatery nody tany Frantsa izy tamin’ny Taona 1653 , teo ihany koa ny likiliki - po tamin’i Antanosy. Diso tia tena loatra mantsy izy ireo. Niara tonga tamin’Ingahy Flacourt , ny Pretra roalahy Nacquart sy Gondree izay narahana miaramila hiambina azy roalahy, ka i Champmargou , no nifehy izany. Novonoin’ny tompon-tany anefa izy ireo tany Faradofay ny Taona 1666 rehefa niasa 20 taona. Ny Taona 1810 dia tafakatra teo amin’ny fara-tampon’ny heriny i Napoléon Bonaparte , izay lasa Emperoran’i Frantsay mihintsy , izay nampiondrika an’i Eoropa sy Afrika manontolo b-Ireo endrika mpihavy raha jerena bango tokana , mitahy amin’ny Gasy [4]: Ny Malagasy mantsy raha jerena ety ivelany , dia Olona be fihetseham-po raha misy mikitikitika ny momba azy sy ny fananany ary tsy karazan’ireo olona mangina fotsiny fa be hambom-po tsotra izao, Azontsika faritana tsara sy porofoina amin’ny toetran’ny tany izany ; Indrindra eo amin’ny fomba amam-panao sy ny maha izy ny faritra iray . Ireo Zohy manan-tantara eto Madagasikara ihany koa dia maneho izany. Ny Zohy ao Ambatoharanana, avaratr’Ambilobe sy ny reniranon’i Manenjeba, 2 Km ny halavany ary 700 m ambanin’ny tany. Ny harambaton’ny Ankarana. Be ny fikarohana vita mikasika ny mpihavy sy ny teto ary namela faritra misongadina izany fa nisy tokoa ny olona tamin’ireny zohy ireny izay nataony fierena sy niafenany ary nipetrahany. Io Ambatoharanana io dia 18.100 Km ny halaliny sy ny hadiriny. Antsatrabonko 10.400 Km ambanin’ny tany, Besaboba no azo lazaina fa vitan’olombelona lava indrindra teto amin’izao tontolo izao 3.700 Km izay avaratra atsinanan’i Mahajanga no misy azy ; tamin’ny Taona ( 1982 ) izany. Ibity ihany koa dia lava-bato sokay lehibe, anaty vato “ Quartzite ” eto ambonin’ny tany lehibe indrindra, mangatsiaka be ny rano ao ary tena marary kibo tsy fidiny ianao raha sendra tafatsoboka ao ny tongotrao. Mitsinjo ao avaratry Toliary , iny tampon-tanety iny . Ilay Lavaka Beompy izay 100 Km ny habeny. Andranovory avaratry Toliary ihany koa dia ahitana lavaka lehibe mitovy amin’ny vovo fatsakana fa saingy tsy misy rano. Tolikisy any amin’i Onilahy 160 Km jerena avy aty ambony dia lalina dia lalina sy tena kizo tokoa. Ny Zohy Kelifely, Ankara, Bemaraha, Anja izay any atsimon’ Ambalavao ; amin’iny lalam-pirenena fahafito iny . Izy ireo dia azo heverina fa nisy olona fahiny ary voaporofo izany noho ireo toetoetry ny Zohy ka mbola nahitana ny fomba amam-panaon’ny olona tamin’izany , ka nampiasainy nataon’ny fitaovana toy ny : ( Vakim-bilia, vakim-bilany ary taolana maromaro ). 1.5 Ny Vondron’olona 18 : Raha ny tena marina , dia tsy 18 ihany ny Foko misy eto , fa mihoatra an’io isa io raha jerena tsy miangatra . Saingy ireo aloha no nalaza sy natanjaka ary lehibe indrindra . Tao ihany koa ireo nanampy ny natanjaka tamin’ireo ady an-trano sy fifamonoana nisy teto . Ireo vondron’olona 18 ireo dia mitsinjara ao anaty rafi-piaraha-monina tsy mifanalavitra fa mifanakaiky ihany, ary heverina ho iray ihany no nisehoany. Ireto ary ireo vondron’olona 18 ireo : « Antaisaka, Mahafaly, Bara, Betsileo, Merina, Bezanozano, Sihanaka, Tsimihety, Antakarana, Vezo, Antambahoaka, Tanala, Antaimoro, Antaifasy, Antanosy, Betsimisaraka, Sakalava, Antandroy. » Ireo vondron’olona ireo dia niaina tamin’ny fiteny iray azon’ny rehetra ifampiresahana sy nifaneraserany. Andeha ary ho zaraintsika ao anaty faritra tsirairay avy izy ireo : Faritra avaratra : Antakarana Faritra andrefana : Sakalava Faritra atsimo : Betsileo, Antandroy Faritra atsimo andrefana : Vezo, Mahafaly Faritra atsimo atsinanana : Bara Faritra atsinanana : Betsimisaraka, Antambahoaka, Antaimoro, Antaifasy, Antaisaka, Antanosy, Tanala Faritra afovoany : Merina Faritra avaratra Atsinanana : Tsimihety, Bezanozano, Sihanaka Tsy hoe, tsy nisy ireto vondron’olona ireto : Antalaotra, Betanimena, Vakinakaratra, Vakiniadiana, Taimorona, Masikoro, Mikea , Zafimaniry ; fa tafatambatra tamin’ireo Foko lehibe nanodidina azy, kanefa mbola mitazona tsara ny maha izy azy tsirairay , na dia tafaharo aza. ( Marihana fa tsy misy Foko na « Tribu » teto fa karazana vondron’olona na « Clans » no nisy ) 1.5.1 Ireo rafi-pitondrana nisy : Fahagola dia tsy mbola nanangana Mpanjaka ny vondron’olona fa ny Zokiolona no nifehy ny isam-pianakaviana, ary ny Loholona no nifehy ny isam-bondrona na ny isam-bohitra fa tsy dia nisy rafi-pitantanana manao ahoana akory . Taty aoriana kosa dia nisy telo ny rafi-pitondrana, izay voafaritra ho andriana no afa- manjaka, ny vahoaka ho teni-miera ary ny mpanompo mba hampanompoana. Tamin’ireo vondron’olona ireo dia nisy ny fanjakana 18 teto anivon’ity Nosy ity. Fanjakana izay tsy mari-toerana fa niady an-trano, nifamabo, niady fahefana sy nitady voninahitra. Ny dera sy ny laza moa tsy hita ho tenenina intsony. Ny hany azo ambara, dia ny Fanjakana niorina teto Imerina ihany sisa , no lasa lavitra kokoa. 1.5.1.2 - Ny Fanjakana Hova [ Ny fikarohana izay natomboka efa ho folo-taona lasa izay , dia nampanjavozavo ny tena fiatombohan’ny fanjakana teto amin’ny Hova . Hova ; hoy aho satria tsy mbola nisy fanjakana Merina tamin’izany , satria ireo noheverintsika hatramin’iany fa ny vazimba no tompon’ny tany teto ampovoan-tany , izay rakotr’ala matevina . Ekena ny fahamarinan’izany kanefa mampanahy be ny mampitombina ; satria izay olona tonga teto dia nambara fa Vazimba avokoa . Tsy azo lavina kosa anefa ny fahatongavan’ireo olona hafa Firenena tonga , ka nivahiny sy nitoetra teto ary tafaharo ka lasa olom-pirenena Malagasy izy ireny . Maro ireo lova-tsofina hita sy voasoratra izay nataon’ireo manam-pahaizana tamin’izany ; na ny Pretra ; na relijiosy sy ny hafa koa . Raha nitrandraka an’izany ny tenako dia tena resy lahatra tanteraka , fa tsy misy fihasamihafana manao ahoana ireny lova-tsofina ireny , ka ny lova-tsaina aterany no nangalako izao fikarohana izao . Mety tsy hahafa-po anao anefa izany ary mbola mahazo manao fikarohana ianao na hiainga amin’izay efa vitako na hanova tanteraka azy . Tsotra ny antony , manana safidy malalaka ny olona tsirairay amin’izany seha-pikarohana ataony , satria izay no maha voka-pikarohana azy . Eto izay dia miteraka ady hevitra : Iza io Andrianizinizina , izay velona teo anelanelan’ny taon-jato faha 13 sy 14 : 1250 - 1350 , izay voalaza fa vazimba voalohany tao Fanongoavana io . Andrianerinerina ihany koa anefa izay ambaran’ireo lova-tsofina fa nitsotsorika avy any an-danitra , izay tsy azoko inoana mihitsy aloha ny fahamarinana , dia velona teo amin’ny taon-jato faha 12 : 1220 - 1320 ; Manaiky ny fisiany aho ary miteny ho azy ny lova-tsaina naterany ka tafapaka ato anatiko . Izy io indray avy eo no niteraka an’Andrianamponga . Ireo lova-tsofina maro ireo dia samy maneho an’Andrianamponga avokoa , fa saingy ny fiandohany no tsy hita be ny ihany . Andeha ho fantarintsika izany lova-tsaina sarobidy izany : Voalohany ary = Andriandravindravina , no vazimba voalohany tao Ambohitsitakatra , izay avaratr’Ankaratra, ary milevina ao izy . Niteraka telo izy ka ireto avy ireo : Andrianoranorana no lahimatoa ary nampakatra an-dRamasovoariaka , ka lasa nifindra monina any Maroantsetra . Niteraka izy ireo ary Ramarobe no anarany . Andriamanjavona kosa no faharoa izay nanorom-ponenana tetsy Angavo , ny fahatelo kosa ; dia Andriananjavonana , ka teo Anandribe , izay akaikin’Angavo ihany no nanorenan’ny tanànany . Nampakatra an’Andriambavirano , araka ny tantara io Andriamanjavona io , izay lazaina fa avy any an-danitra = tsy azo ekena aloha ny fahamarinan’izany , fa araha , nohalalinina ny fisehoan’ny tantara , dia karazan’ireo olobe mahay zavatra izy , toy ny majika sy izay mifanohitra amin’ny tena zava-misy marina , na ihany koa manan-jina . Izy ireo no niteraka an’i Zanahary , izay nikasaka sy nanorom-penanana teo Ambohijanahary ary milevina ao an-tampon’Ambohijanahary ( io ambony atsimon’i Mahamasina ) . Zanahary indray kosa niteraka an-dRafaravavy , teo Farihy izay ambany avaratry Merikanjaka . Rafaravavy kosa , dia nanan-janaka efatra mianadahy : Andriampandrana , tao Ampandrana no voalohany ; Rafaramahery , izay vavy faharoa kosa , nijanona tao Ampandrana ihany ; Ratsiseranina no fahatelo , ka tao Andraisisa izy no nitoetra , eo akaikin’Ampandrana ihany ; Rafohy , izay vavy fahatelo no namarana azy , nonina ao Merimanjaka . ( Tsara ny manamarika fa ny tao Ampandrana dia ireto : Andriampandrana ; Rafandrandava ; Rafandrampohy ; Rafandramanenitra ; Rafaramahery = samy milevina ao Ampandrana avokoa izy ireo . Raha hiverenana kely ny teo aloha , izay mahakasika an’Andriamanjavona sy Andrianoranorana , dia hita fa resaka hanina kely no namoizana ny fizokiana , satria nahoana hoy ianao ? Naleon’Andrianoranorana , izay zoky rahateo , ny trandraka izay azon’izy sy Andriamanjavona , zandriny , toy izany ny tany . Ka Andriamanjavona , araka izany no tompon’ny tany ary nitondra ny fanjakany , izay navelan’ny rainy Andrianandravindravina .) Andao kosa ary hirosoana ny tantara : Io Andriampandrana ,izay voaresaka io, dia efa nandalo tao Alamanga na Antananarivo ankehitriny , ary nanangana orimbato lehibe tao izy , izay naorina tao an-tampony ; ary nomena ny anarana hoe : Ambatondrafandrana . Raha tsy diso aho , dia ilay toerana misy ny fitsarana tamin’izany , io toerana io ; izay eo avaratr’Andohalo ankehitriny . Rafohy kosa dia namonjy an’i Merimanjaka sy Alasora . Rafaramahery kosa dia niteraka an-dRamavobe , ary io Ramavobe io , no nihavian’Andrianamponga , ka naterina tany akaikin’ny sampanana izay akaikin’Ambohimahatakatra . Izy indray no niteraka an’Andriandranolava , izay nitoetra tany Ambatomanoina = akaikin’i Sadabe angamba . Milevina ao izy ary miaraka aminy ao Rabolobolo sy Andrianambolo , izay samy vazimba . Andriandranolava , no nisehoan’ny fanjakana ifanoavana , izany hoe : Ny Iray manjaka ary ny iray kosa manoa . Mbola ny zoky ihany teto no nanoa ny zandriny . Izy io no tompon’ny Kabary sy niandohan’izany ara-tantara . Rafohy kosa dia niteraka an-dRangita ary Rangita kosa dia mirahalahy no naterany : Andriamanelo sy Andriamananitany . Andriamanelo tao Alasora ary Andriamananintany kosa tao Ambohitrandriananahary . Rafohy sy Rangita no niavian’ilay teny hoe : “ Ny Alakamisy an’Andriamanelo ary ny Zoma an’Andriamananitany ” Niova indray ilay hafatra tery aloha . Ny Fanjakana Arindra no noheverina fa hatao eo amin’ny Fanjakany . Zoky aloha vao ny Zandriny . Ny raiamandreny no manendry izay hitondra ny fanjakana . Andrianampoinimerina , izay nanjaka tokana teto Imerina ihany koa no nampihatra izany , tamin’Ilaidama zanany sy i Mavo , izay lasa vadiny . Izay no nahatonga an’i Mavo , nisavika ny fanjakana rehefa maty Radama I .] Antaninarenina ihany koa , teo anelanelan’ny taona 1869 - 1898 Ny taon-jato faha 13, ny taona 1220 - 1320 , dia Andrianerinerina : no nanjaka teto Imerina voalohany. Nodimbiasan’Andriananjavona : 1320 - 1350 izay nifidy an’Angavo Atsinanana, hanjakana. Andrianamponga : 1350 - 1380, indray avy eo no nanjaka ka nanorina ny fanjakany tao Fanongoavana, izay nodimbiasan’Andrianamboniravina: 1380 - 1400, izay nanjaka tao Ambatondrakoriaka. Andriampandrana : 1400 - 1420 , kosa no nandimby azy ka nifidy ny tao Ampandrana atsimo , hanjakany, ary nifandimby nitondra sy nanjaka teto Imerina fehizay ny taranany: Ramasindohafandrana : 1440 - 1450 Rafandramanenitra : 1480 - 1500, izay naka vady an-dRafaramahery, ka niterahany an- dRafohy : 1500 - 1520 , ary Rangita : 1520 - 1540, nanambady an-dRatsiseranina no namarana ny fanjakana tao Ampandrana , satria izy dia nanorina ny fanjakany tao Imerimanjaka. Ny taranak’i Andrianamboniravina sy Andriampandrana no niandohan’Imerina izay nandova fanjakana, fa ireo taranaka izay nanoa kosa dia lasa namonjy an’i Bezanozano sy tany Maroantsetra; dia ny taranak’i Andrianoranorana sy Andriandranando . Nizara vohitra 4 lehibe ny teto am-povoan-tany ary samy nanana ny Mpanjakany sy ny rafi- panjakany izay nifampifehezany ny fanjakana tsirairay avy. Ny tao Imerimanjaka ( Ampandrana ) : Rafohy sy Rangita , no vy nahitana ny Fanjakana arindra teto Imerina, Izay Fanjakana nifandovana. Roa ny zanaky Rangita nandova Fanjakana, ka ny zokiny Andriamanelo , aloha no tompony ka nampanjakaina, vao ny zandriny Andriamananintany. Saingy maty izy io, fa ny zanany Andrianamboninolona dia nanjaka teny Analamanitra fahiny na Ambohitrombihavana amin’izao fotoana izao , ka tsara ny manamarika an’izany, izay marihako etoana fa tsy moramora ny nahitana ny tantara . Ny tao Alasora : Maitsoanala, zanakavavin’ny Mpanjakan’Ambohidrabiby, no vadiny. Izy no nampiray ny Fanjakan’Ambohidrabiby amin’ny Alasora ho Fanjakana iray. Naharitra 35 taona no nanjakany. [ Indro misy fanampin’ny tantara , izay tsy tokony ho adinoina ho an’ny taranaka . Hita sy voatahiry tao amin’ny tranokalan’ny Minisiteran’ny Kolontsaina ] Lasa mpanjakan’Alasora i Andriamanelo, zana-dRangitamanjakatrimovavy, rehefa naharesy sy nandroaka ireo vazimba tao. Fomba nentiny nampitombo sy nanitatra ny fanjakany avokoa na ny ady nampiasa hery na ny fitadiavana fihavanana amin’ny alalan’ny fanambadiana ifanarahana. Noho izany indrindra dia nanatona an-dRabiby tao Ambohidrabiby i Andriamanelo mba hangataka an- dRamaitsoanala zanakavavin-dRabiby ho vadiny. Neken-dRabiby izany na dia napetrak’Andriamanelo ho fepetra aza ny handraisany izy sy ny taranany ny fanjakan’Ambohidrabiby , ao aorian-dRabiby. Tamin’ny andron’Andriamanelo no nahitana voalohany ny fandrendrehana sy ny fanefena ny vy , ary tany Amoronkay, atsimon’i Mantasoa, no nangalana izany vy izany. Nampiasain’ny olona tao Ambohidrabiby , ho fanamboarana taozavatra ny vy: angady nihadiana ireo hady natao manda, fisisika namakiana ny vaingam-bato nanaovana : fasana ; lefona; rojo namatorana olo-meloka ; fantsika namantsihana lohan-trano; hidin-trano savily; karetsaka; fanalahidy…; fitsindrona nitonoan-kena sy kitoza, … Niteraka an-dRalambo ihany Andriamanelo sy Ramaitsoanala nony farany na dia nanana olana tamin’ny fiterahana aza. Teraka ny voalohan’ny volana Alahamady tao Ambohibaoladina, tsy lavitra an’Ambohimalaza, izy ary lasa mpanjaka , nandimby an-dRabiby raibeny , tamin’ny taona 1575. Nataon-dRalambo ho renivohitr’Imerina i Ambohidrabiby mba hahamafy orina ny fanjakany. Bibidia ny jamoka tamin’izany. Novain-dRalambo ho omby ny anarany ary nampianariny hamolaka io biby io sy hihinana ny henany ny olona. Ny tao Ambohidrabiby : Zanak’Andriamanelo, nisolo an-drainy ary nanjaka tao 35 taona ihany koa. Mpanjaka hendry sy lalin-tsaina izy ary namerina indray an’Ambohitrabiby ho renivohitry ny Fanjakany izay nafindran-drainy tany Alasora. Izy ihany koa no nampihinana ny henan’ny Jamoka na Omby voalohany ny vahoakany. Nahery ny Fanjakany noho ny fananany basy. Izy no vy nahitana ny firavoravom-panjakana natao hoe : « Fandroana » na ny « Asaramanitra » ; azo lazaina fa niadana ihany ny fitondrany satria tsy mbola nisy fikomiana firy sy fifandrombaham-pahefana tamin’izany . Fa tena fifandimbiasam-panjakana . [ Fanampin’ny tantara : Ingahy Razefa , mpiandry Rova ] Tsiahy mahakasika ny niforonan’ny tanànan’Ambohidrabiby . Ao avaratra atsinanan’Antananarivo no misy ny vohitr’Ankotrokotroka. Vazimba no tao hatramin’ny taonjato faha 14 sy faha 15. Halan-kotroka io toerana io noho izy rakotr’ala sy lobolobo tanteraka. Nisy farihy teo an-tampony. Tany amin’ny taonjato faha 16 , di any taona 1500 , tany ho any izany , dia nivezivezy teny amin’iny faritra iny Rabiby, Andriandahy Arabo avy any Kaloy, niaraka tamin’ny hova mpanotrona azy. Nanapa-kevitra honina tao Ankotrokotroka izy ireo ka dia noroahiny ny vazimba nipetraka tao. Nanavao ny tanàna sy nanorina rova tao Ankotrokotroka Rabiby rehefa natsangan’ny tao ho mpanjaka. Nototofany koa ilay farihy ka lasa nivoaka loharano ny toerana ambany sasany. Nampitondrainy ny anarany ny tanàna ka lasa hoe : Ambohidrabiby. Samy nitondra fampandrosoana ho azy avokoa ireo mpanjaka efatra nifandimby tao Ambohidrabiby: Rabiby ( 1540 (1500) - 1575 ), nanova an’Ankotrokotroka teo aloha ho Ambohidrabiby; ary nivoatra dia nivoatra ny tanàna . Ralambo ( 1575 - 1610 ), nanao azy ho renivohitr’Imerina; Andrianavalonimerina ( 1710 - 1748 ), tsy nampandefitra ny soa ho an’ny tanàna; Andrianavalondambozafy ( 1748 - 1767 ), mpanjaka farany tao. Ny Andriamanjaka hono tsy manam-pady noho ilay hoe : fanjakana tsy afindra . Nanambady an-dRabehavina izay zanak’anabavin-dRabiby izay nanana anjara fanapahana tao Kaloy tamin’Andriamamilazabe , andriana avy eny Vodivato Ralambo. Niteraka mianadahy dia : Ravaomasina sy Andriatompokoindrindra izy ireo. Noho ny tenin’Andriamanelo dia niroso tamin’ny fanambadiana an-dRatsitohina izay zanak’anabavin-drainy ihany koa izy avy eo ary dia niteraka an’Andrianjaka. Ralambo ihany no nandamina ny fitoeran’ny olona tao an-tanàna. Naoriny teo an-tampon-kavoana , ampovoan-tanàna avy any atsinanan’ny kianja fikabariana ny lapa nitoerany. Napetrany manodidina azy kosa ireo havany sy ireo olom-panjakana ary ny sasantsasany amin’ny vahoaka. Ny Zanakarivo na zana-bahoaka , izay mpanompon’ny mpanjaka rahateo no nataony teny amin’ny ilany atsinanana. Ireo mpanolotsain’ny mpanjaka na ny Zanadonia , taranaka fahafito, taranak’Andriandoria no tamin’ny ilany avaratra. Ny Ambodifahitra no tamin’ny tapany atsimo. Nofaritan-dRalambo ho fankalazana ny fetin’ny fandroana ny volana alahamady. Fanazavana ny volana alahamady hita eny Ambohidrabiby : Nitondra fiovana teny Ambohidrabiby ny mpanjaka Andrianampoinimerina tamin’ny fotoana nanjakany teto Imerina. Napetrany teny Rasendrasoa vadiny voalohany, izay milevina ao amin’ilay fasana eo akaikin’ny fasan-dRabiby ilay razan’andriana . Nanjary feno trano ny tanàna. Niorina koa ny tsena teny an-toerana. Nataon’Andrianampoinimerina hoe : « Hasin’Imerina » i Ambohidrabiby tamin’ny taona 1797 noho izy naneho fiombonana sy fitambarana. Nisafidy ny ho hovalahy kosa ny olona teny fa tsy nety natao andriana. Ny tao Analamanga : No nandova Fanjakana, te hametraka an’Analamanga ho renivohi-panjakany ka nanafika ny Vazimba tao. Resiny noho izy nampiasa vy manidina ( Lefona ) Raikitra ny ady. Resy ity zokiny, ary ny mpandresy kosa niova ho Andriamasinavalona : 1675 - 1710 , Mpanjaka hendry sy lalin-tsaina noho ny fananany an’ilay mpanolotsaina avo lenta sy hendry ary lalin-tsaina , dia tsy iza fa Rainandriamampandry. Tia zanaka loatra ka nizara efatra ny Fanjakany tamin’ireo zanany na dia efa nanarin-dRainandriamampandry aza. Fahoriana ho an’ny vahoaka izany noho ny ady an-trano niseho voalohany teto amin’ny tantaran’ity Nosy mamitsika ity . Nanjaka 35 taona izy. ( Fanamarihana: Noheverina ho teo anelanelan’ny taona : 1630 - 1660 no nanjakan’Andriantsitakatrandriana izay nandimby an’ Andrianjaka rainy. Ary ny mpandova azy Andriantsimitoviaminandriandehibe dia azo heverina ho teo anelanelan’ny taona : 1667 - 1675. Andrianjakanavalona , izay zandrin’Andriatsitakatrandriana dia nanjaka tamin’ny taona : 1675 - 1710. Izy ilay niova ho Andriamasinavalona. Azo heverina fa efa nisy Fanjakana roa izay nisian’ny ady an-trano teo amin’ireo Mpanjaka mpihavana ireo.[7].) Mbola nizara Vohitra 4 lehibe , ny teto Imerina, saingy Ambohimanga sy Antananarivo , no nisolo an’Imerikanjaka sy Analamanga , satria voafafa tao anatin’ny tantara saingy tsy hay kosehina kosa . Ambohimanga : Vohitra iray natao hoe : Ambohitrakanga , izy io fahizay satria feno hadivory sy rakotra ala ary zava-maniry dia tao ary nisy vorona mitovy amin’ny akoho atao hoe akanga , ary tena feno azy tao fahizay . Avo dia avo ny toerana ary nahatsinjovana ny vohitr’Analamanga fahiny sy ny lemaky Betsimitatatra ary Laniera . Ireto Mpanjaka ireto izay nanomboka hatreo amin’ny nizaran’Andriamasinavalona ny taona 1710 ny Fanjakana , tamin’ireto zanany 4 sy noho Ambohimanga nipoiran’ilay Mpanjaka tokana teto amin’ity Nosy ity dia novinavinaina ho teo anelanelan’ny taona 1710 - 1787 , ny nanjakan’izy ireo teto Ambohimanga. Andriatsimitoviaminandriandrazaka, izay zanaky Andriamasinavalona ary no nanjaka tao Ambohimanga , rehefa nozarain’ity rainy ny Fanjakana. Ankeviny ho teo anelanelan’ny taona 1710 - 1730 , no nanjakany, ary naharitra 20 taona izany. Azo heverina fa nanjaka tao anaty fahasarotana izy noho ny ady an-trano nihanahery vaika tokoa. Nondimbiasan’Andriambelomasina izay zafikelin’Andriamasinavalona, anefa Andriatsimitoviaminandriandrazaka , izay heverina ho teo anelanelan’ny taona 1730 - 1770 , no nanjakany ary naharitra 40 taona teo ho eo no naharetany. Andrianjafinandriamanitra , no nandimby ity rainy izay teo anelanelan’ny taona 1770 - 1787 izay nanjaka 17 taona. Antananarivo : Andrianjakanavalomandimby Teo anelanelan’ny taona 1710 - 1787 , no nifidy an’Antananarivo , rehefa nozarain’Andriamasinavalona rainy ny Fanjakana. Tsy adino akory Andrianamboatsimarofy , izay tsy fantatra marina ny fotoana nanjakany noho ny fanjavonan’ny tahirin-kevitra momba azy . Fa nalefa sesitany na maty tany Fenoarivo izy ary nondimbiasan’Andrianampoinimerina izy avy eo. Ambohidratrimo : Andriandambonavalona , no nanjaka tao. 1710 -… Andriamananimerina nondimbiasan’Andrianavalonimerina Tsy azo adinoina anefa ireo Fanjakana nadinika nahazo aina tao anatin’izany ady an-trano izany. Izay nanerana ny tanàna teto Imerina : Andrianatoara : 1720 - 1735 , izay nanjaka tao Alasora Ratsimanjaka : 1712 - 1740 , nanjaka tao Anosiarivo Andriampalimanana : 1747 - 1759, nanjaka tao Tsirangaina Ramaromanompo : 1763 - 1780, nanjaka tao Fenoarivo Andrianamboniravina : 1750 - 1770 sy Andriandranovola : 1770 - 1785 , nanjaka tao Ambohimasimbola Andrianamponga: 1769 - 1785, nanjaka tao Fanongoavana Ny tao Arivonimamo : ( Imamo ) Andriambahoakafovoanitany nanjaka tao Manazary, izay nondimbiasan’Andriatsiahofa Andriamanjakatokana , izay hafa reny kosa no nanjaka tao Ambohinihaza Andriantomponimamo , no nanjaka tao Ambohitromby. ( noheverina ho teo anelanelan’ny taona 1710 - 1787 , ihany koa no nisian’ny Fanjakana nadinika tany Imamo. Nanafika an’ireo Fanjakana nadinika sy nitsitokotoko ireo Fanjakana 4 lehibe. Izay rainy sy zanany ary rahalahiny. Ka te hamondrona azy ireo ho Fanjakana tokana sy lehibe teto Imerina. Naharitra teo anelanelan’ny taona 1540 - 1787 izany hoe : 247 taona ny ady an-trano teto an’ivon’ity Nosy ity. [ Ity misy fanampin’ny tantara , toa mampisalasala raha ny vokatry ny fanadihadihana, kanefa mamantsika tanteraka sy mampitombina ny tantaram-pirenena ihany . Izy ity dia nokarohiko tao amin’ny Tantaran’andriana , izay nosoratan’i Pere Callet , amin’ny maha Vazaha Frantsay azy dia atahorana ihany ny mety ho tsy fifanojoan’ny lova-tsofina sy ny soratra ary ny mety ho naha samy hafa ny fanambarana tamin’ny tanàna roa na telo na maromaro ] Andriana tao Fondanitra ao Mamo : Andriantomponifonesandahilehibe Andriantomponatsimondrano Andrianatodimangampivovo Andriamarotafika Razakanatrimo , izy dia zafin’Andrianatodimangampivovo , izay nanjaka tao Ambohitrambo na ( Imamo ) Ankehitriny . Raha jerena tsy mitongilana anefa ny tantara , dia : Io Razakatrimo io kosa no vadin - dRamasidrazana, zanak’anabavin’Andrianampoinimerina ; izay niteraka an-dRamoma ka nanjary Ranavalona Faharoa taty aoriana . Andrianamboarinandriamanitra, dia zana-drahalahin’Andriampoetsakarivo , izay tokony handova fanjakana . Andriamarobasy dia mpanjaka tao Sahavondronina ny taona 1758 ( Ambohitrambo sy Arivonimamo Atsinanana ) Andriandailoza , nanjaka tao Volafotsy ny taona 1758 Ravaomanjaka ihany koa , izay zanakavavin-dRamaromanompo , dia lasa vadin’Andrianampoinimerina . Andriampoetsakarivo , nanjaka tao Ambohibeloma ( Miarinarivo ) ny taona 1758 [ Ity ambara sy tantaraina eto kosa , dia fanampim-panazavana mba hampahazava ny tantara teo aloha : Hatreto dia ny lafiny ara-tantara sy ara-kolontsaina no nahafantarantsika an’Ambohidrabiby toy ny hoe teo Ambohidrabiby no nankalazaina voalohanytaty Imerina ny Fandroana sy Alahamady, teo Ambohidrabiby no nipoitra ny anarana hoe « omby », « Imerina » ary « Ambaniandro » ; eo Ambohidrabiby no tenomina ny lamban’ny mpanjaka merina nifandimby ary Ambohidrabiby dia iray amin’ireo tendrombohitra 12 masina eto Imerina. Anio kosa dia hamantatra an’Ambohidrabiby amin’ny lafiny arkeolojika isika satria dia manana ny mampiavaka azy eto Imerina ny rovan’Ambohidrabiby raha ny lafiny arkeolojia. Marihina fa ny rovan’Ambohidrabiby dia faritra iray ao antampon’ny vohitr’Ambohidrabiby, faritra izay nisy ny lapan’ny mpanjaka, ny kianja fikabarian’ny mpanjaka ary ny fasan’ny mpanjaka mianakavy nanomboka ny taonjato faha -16 aty aorian’i Jesoa Kristy Tompo . Indreto ny santionany mampiavaka ny rovan’Ambohidrabiby raha ny lafiny arkeolojika : Ny Rovan’Ambohidrabiby izay miendrika efa-joro , dia misy fidirana na fivoahana miisa 4 ka misy fidirana iray avy amin’ny ilany avaratry ny rova, amin’ny ilany atsimon’ny rova, amin’ny ilany atsinanan’ny rova ary amin’ny ilany andrefan’ny rova. Ny mpanjaka Rabiby tamin’ny taonjato faha-16 , taty aorian’i Jesoa Kristy Tompo, no nampanao ireo fidirana na fivoahana miisa 4 ; amin’ny rovan’Ambohidrabiby, satria nirariany mba hivelatra amin’ny vazantany 4 eto Madagasikara ny fanjakana naoriny. Toa tanteraka izany firarian’i mpanjaka Rabiby izany satria tamin’ny mpanjaka Ralambo ( 1575-1610 ) dia lasa renivohitra ny “ Fanjakan’andriana merina ” ny vohitr’Ambohidrabiby ary Ambohidrabiby no renivohitra “ voalohany ” ny fanjakàn’andriana merina, fa talohan’izany dia “ fanjakàna vazimba ” no nisy taty anivon’ny riaka. Ary tamin’ny taonjato faha -19, izany fanjakàn’andriana merina izany dia niofo ho lasa “ Fanjakan’i Madagasikara ” rehefa nanoa ny “ Fanjak’andriana merina ” ny fanjakàna tamin’ny faritra sy foko maro teto Madagasikara. Heverina koa anefa fa natokana hidiran’ny karazan’olona araka ny andraikiny sy ny satany ary ny fombafomba sy fady ny tsirairay amin’ireo vavahady miisa 4 tamin’ny rovan’Ambohidrabiby ireo. Ohatra amin’izany, ny vavahady amin’ny ilany avaratra amin’ny rovan’Ambohidrabiby dia natokana hidirana sy hivoahan’ny Mpanjaka mianakavy sy ireo vahiny manankaja mitsidika ny Mpanjaka. Ohatra amin’izany koa, mety ho amin’ny vavahady amin’ny lafiny atsimo sy lafiny andrefan’ny rova no havoaka ireo heverina fa zavatra maloto avy tao anaty rova. Tsy toy izany kosa ny zava-misy amin’ireo rova amin’ny tendrombohitra 12 masina hafa eto Imerina satria dia saika fidirara na fivoahana miisa 2 ihany no idirana sy ivoahana ao amin’ireo rova. Ohatra, hoan’ny Rovan’Ambohimanga , dia miisa 2 , ny fidirana na Fivoahana na vavahady ao anaty rova ka ny iray fefy avaratra ny rova ary ny iray eo atsimo andrefan’ny Rova. Hoan’ny Rovan’Antananarivo dia miisa 2 ny vavahady ka ny iray eo avaratry ny rova ary ny iray ao atsimon’ny Rova. Tsy mitovy ny haavon’ny faritra ao anaty anaty rovan’Ambohidrabiby. Ahitàna an-tanatohatra miisa 3 ny faritra ao anaty rovan’Ambohidrabiby. Ny ilany avaratra manontolo manamorina ny lalana, ny ilany atsinanana manontolo, ny ilany atsimo atsinanana, ary ny ilany avaratra andrefana ao anaty rovan’Ambohidrabiby izay misy ny mozea ankehitrio sy ny fasan’i Rasendrasoa vadin’Andrianampoinimerina dia avo 1 metara , mihoatra amin’ny toerana misy ny fasan’ny mpanjaka Rabiby sy ny mpanjaka Ralambo ary ny kianja fikabariana sady famonoan’omby ao anaty rovan’Ambohidrabiby. Ny ilany andrefana indrindra ao anaty rovan’Ambohidrabiby dia iva mitaha amin’ny faritra misy ny fasan’ny mpanjaka Rabiby sy mpanjaka Ralambo ary ny kianja. Marihina anefa fa tamin’ny taonjato faha -16 nanjakany Rabiby sy Ralambo dia heverina fa mitovy haavo ny faritra misy ny fasan’i Rabiby sy Ralambo, ny faritra misy ny kianja fikabarian’ny mpanjaka ary ny faritra nisy ny lapa , izay misy ny mozea ankehitrio , izany hoe ny haavon’ny faritra tao anaty rovan’Ambohidrabiby dia tsy mihoatra ny haavon’ny kianja manoloana ny fasana misy ny mpanjaka Rabiby sy ny mpanjaka Ralambo izay ao anaty rovan’Ambohidrabiby. Ny faritra andrefan’ny fasana misy an-dRabiby sy Ralambo kosa , dia mety ho efa iva mitaha amin’ny faritra misy ireo fasana ireo. Azo eritreretina ihany koa fa tamin’ny vanim-potoana nampitovy haavo ny faritra nisy ny lapa sy nisy ny fasan’ny mpanjaka tao anaty rovan’Ambohidrabiby dia mety ho efajoro ny endriky ny rovan’Ambohidrabiby tamin’izany . Tamin’ny taonjato faha - 18 , tamin’Andrianavalonimerina nanjaka teo Ambohidrabiby na tamin’Andrianampoinimerina : ( 1787-1810 ) no nampiakarina ho 1 metatra , ny haavon’ny lafiny avaratra, atsinanana, atsimo ary avaratra andrefana ao anaty rovan’Ambohidrabiby araka ny ahitatsika azy, izay nisy ny lapa sy ny fasan’ny vadiben’Andrianampoinimerina. Ny ilany andrefana indrindra ao anaty rovan’Ambohidrabiby no tsy nahitàna fampiakarana haavo. Izany fampiakarana 1metatra , ny haavon’ny faritra sasany tao anaty rovan’Ambohidrabiby izany dia nitarika ny fanaovana rarivato ny sisin’ny kianja fikabarian’ny mpanjaka eo afovoan’ny rovan’Ambohidrabiby sy ny fanasiana rarivato manodidina ny faritra ivelan’ny rovan’Ambohidrabiby amin’ny sisiny avaratra, ny sisiny atsinanana ary ny sisiny atsimo. Tsy mba nahitàna rarivato kosa ny sisiny andrefan’ny rovan’Ambohidrabiby. Mety ho nahatsikarika fiovana ihany koa isika ankehitriny ,raha ny faritry ny rovan’Ambohidrabiby no jerena , tsy lasa efajoro intsony, satria ny faritra eo andrefan’ny fasan-dRasendrasoa dia tsy tafiditra anatin’ny rarivato mamefy ny sisin’ny rova. Azo heverina fa finiavan’ny mpanjaka taty aoriana hampisongadina ny maha ambony laharana azy mitaha amin’ireo mpanjaka tranainy teo no anton’izany fampiakarana haavo ny toerana misy ny lapa tao anaty rovan’Ambohidrabiby izany. Na dia izany aza, notazomina ho faritra iva indrindra ao anaty rovan’Ambohidrabiby ny ilany andrefan’ny fasana nitoera nametraha an- dRabiby sy Ralambo, izay toa maneho sy manamarina fa ny andrefana no toerana fanariana ny maloto , na ireo karazana fako na ny rano maloto ihany koa , teo amin’ny Ntaolo fahizay malagasy. Eo amin’ny lafiny avaratra atsinanana ao anaty rovan’Ambohidrabiby no nisy ny lapan’ny Mpanjaka Rabiby sy mpanjaka Ralambo. Izany dia ahitàna taratra fa nanome lanja manokana ny zoro avaratra atsinanana izay antsoina ihany koa hoe : “ zoro firarazana ” na “ zoro alahamady ” ny mpanjaka Rabiby sy mpanjaka Ralambo. Ny “ alahamady ” dia heverina ho “ anaram-bitana ” no nanaovan’i Rabiby azy tany am-boalohany vao lasa anaran’ny volana voalohany ; amin’ny volana 12 , ao anatin’ny taona. Marihina fa teo amin’ny fandaminana ny toerana iray dia noheverin’ny Ntaolo Merina ho toeran’ny fahefana ara-politika sy ny haja ny lafiny avaratra ary toeran’ny fahamasinana ny lafiny atsinanana. Koa ny zoro avaratra atsinanana izany no fihaonan’ny fahefana politika sy ny fahamasinana . Ao anaty rovan’Ambohidrabiby , any andrefan’ny lapan’i mpanjaka Rabiby sy ny mpanjaka Ralambo no misy ny fasan’i mpanjaka Rabiby sy ny fasan’i mpanjaka Ralambo , ary ny fasan’andriana. Izany hoe tao anaty rovan’Ambohidrabiby dia ny velona no nipetraka amin’ny lafiny atsinanana ary ny efa nodimandry kosa no napetraka amin’ny lafiny andrefana. Mifanohitra amin’izany kosa anefa no nisy teo amin’ireo tendrombohitra roambinifolo masina aty Imerina niorina tato aorian’Ambohidrabiby toy ny rovan’Antananarivo, rovan’Ambohimanga, rovan’Ilafy, rovan’Antsahadinta satria , dia eo antsinanan’ny lapan’ny mpanjaka na eo avaratry ny lapan’ny mpanjaka no misy ny fasan’ny mpanjaka. Amin’ireo rova amin’ny tendrombohitra 12 eto Imerina , dia manaraka fenitra ny filaharan’ny fasan’ny mpanjaka sy fasan’andriana izay mitandahatra avaratra-atsimo, koa ny fasan’ny mpanjaka tranainy indrindra na ny fasan’ny andriana ambany laharana indrindra no amin’ny atsimo indrindra ary ny fasan’ny mpanjaka farany , na ny fasan’ny andriana ambony laharana no amin’ny avaratra indrindra. Hoan’ireo fasana mitandahatra avaratra-atsimo ao anaty rovan’Ambohidrabiby kosa dia misy mampiavaka azy manokana satria dia ny fasan’i mpanjaka Ralambo sy Ratsitohinamanjaka vadiny ary ny zanany vavy iray , anisan’izany tena tsy foiny , no amin’ny lafiny atsimo indrindra, tsy izany ihany , fa eo avaratr’izany ny fasan’Andriandambotanimanjaka sy Ramaintsoakanjo sy Rabiby , Mety ho hitatsika ary amin’ny avaratra indrindra ny fasan’i Rasendrasoa vadiben’Andrianampoinimerina. Ralambo anefa nanjaka tao aorian’i Rabiby raibeny. Azo heverina fa noho ny antony manokana dia tsy natao teo avaratry ny fasan- dRabiby ny fasan- dRalambo fa natao teo atsimo. Toa manamarina fa araka ny anarantany, Ambohidrabiby dia vohitry Rabiby fa tsy vohitry Ralambo. Ny rovan’Ambohidrabiby dia nahatahiry ny endriky ny fasana taty Imerina nanomboka tamin’ny taonjato faha - 16 ka hatramin’ny taonjato faha -19. Hita ao ny fasan’i Mpanjaka Rabiby sy Ramaitsoakanjo vadiny ary Andriandambotanimanjaka zafikeliny niorina tamin’ny taonjato faha -16, aty aorian’i Jesosy Kristy Tompo , fasana iva tsy misy an-tanatohatra ary voadidina rarivato madinika tsy voapaika. Mifanila fasana na mety ho iray fasana mihintsy i Rabiby sy Ramaintsoakanjo vadiny ary Andriandambotanimanjaka zafikeliny. Ireo fasan’ny Mpanjaka Ralambo sy Ratsitohinamanjaka vadiny ary ny fasan’ny zanany vavy, fasana niorina tamin’ny taonjato faha -17 kosa , raha am-pitahaina amin’i fasan - dRabiby , dia avo, ahitana an-tanatohatra iray , voarary vato lehibe tsy voapaika ny manodidina. Mifanila fasana na mety ho iray fasana mihintsy ny Mpanjaka Ralambo sy Ratsitohinamanjaka vadiny ary ny zanany . Hita ao koa ny fasan’i Rasendrasoa vadiben’i Mpanjaka Andrianampoinimerina sy ireo taranany, niorina tamin’ny taonjato faha -19 , aty aorian’i Jesosy kristy, fasana nitambarambe, avo mitaha amin’ny fasan-dRabiby sy Ralambo, ahitana an-tanatohatra roa , voadidina rarivato lehibe voapaika ary misy tranomasina. Tsy fahita amin’ireo rova amin’ny tendrombohitra 12 masina hafa izany fiarahan’ny fasan’ny taonjato faha -16 sy faha -17 ary faha -19 , amin’ny toerana iray izany. Ny fihadiana lavaka natao tao anaty rovan’Ambohidrabiby dia nahitàna vokatra maro. Santionan’izany ny fihadiana lavaka teo amin’ny kianja famonoana omby manoloana ny fasan-dRabiby dia nampiseho masoandro ireo akorandriaka maro izay karazan’akorandriaka nampiasaina ho vola fifanakalozana ara-barotra taty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana nanomboka ny taonjato faha -5 , talohan’i Jesosy Krisy ka hatramin’ny taonjato faha -13 , taorian’i Jesosy Kristy. Midika fa efa nifandray ara-barotra tamin’ny ranomasimbe indiana ireo vazimba ireo saingy tsy mbola nampiasa ny vola vy. Azo heverina fa ireo manendy , na vazimba mponina teo Ambohidrabiby talohan’i nahatongavan-dRabiby no nampiasa izany akorandriaka izany. Manarak’izany, teo amin’ny toerana voalaza fa nisy ny lapany Rabiby sy Ralambo amin’ny ilany avaratra atsinanana ao anaty rovan’Ambohidrabiby, rehefa nohadiana 1m70 , dia nahitàna taolan’ondry sy taolan’omby maro ary lavenona izay porofo fa nahandro sy nihinana ondry ny Mpanjaka Rabiby sy ny ankohonany ary nihinana omby ny Mpanjaka Ralambo sy ny ankohonany tao anaty rovan’Ambohidrabiby. Farany, nahitàna vakimbilani-tany voaloko manjarano misy haingony na tsy misy haingony maro ihany koa ny fihadiana lavaka 1m70, tamin’ny toerana voalaza fa nisy ny lapan’ny mpanjaka Rabiby sy Ralambo tao anaty rovan’Ambohidrabiby. Fehiny, ireo ohatra vitsy notanisaina etsy ambony dia ahitàna fa miavaka eto Imerina ny rovan’Ambohidrabiby raha ny lafiny arkeolojika. Mbola voatazona sy voatahiry mandraka ankehitrio ny fandaminana sy ny fanorenana tao anaty rovan’Ambohidrabiby tamin’ny andron’ny mpanjaka Rabiby sy ny mpanjaka Ralambo, fandaminana izay manana antony ara-pinoana sy araka ny hasina sy araka ny fanandroana ary araka ny fijery ny tontolo , fanao tamin’ny taon-jato faha -16 , taty Imerina. Satria Ambohidrabiby no renivohitra voalohan’ny fanjakan’andriana merina tamin’ny mpanjaka Ralambo ( 1575-1610 ). Hita anefa fa tsy nitovy tamin’ireo lamina ara-panorenana nisy tao androvan’Ambohidrabiby ny fandaminana ny fanorenana tao anatin’ireo rova niorina taty Imerina tao aorian’i mpanjaka Rabiby sy mpanjaka Ralambo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiadanan-tsaina
FIADANAN-TSAINA
Fredy Jaofera
FIADANAN-TSAINA N'inona n'inona lazaina sy n'aiza n'aiza aleha, na rahoviana izany, ny fiadanan-tsaina no harena lehibe misy eto an-tany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ho-indramiko
Ho indramiko
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Etsy ande ho indramiko Ny soratananao Ho entiko mamoaka Ny takona ao ampoko Etsy mba ho indramiko Ireo teny mahaliana Voasafidinao Ho antsaina an-tononkalo Etsy mba ho indramiko Ho entina amaboana Ilay safidy iray Tsy sahako amborahana Ny hevitry ny foko Etsy mba ho indramiko Alefa antaratasy Hamangy ilay tiako Tsy mahalala akory Etsy mba ho indramiko Fa ngamba mety hitovy Ny eritreritrao Sy ny tanjona ho tratrariko Etsy mba ho indramiko Ny soratananao Ho entiko mamoaka Ny takona ao ampoko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-eto
NY ETO
Fredy Jaofera
NY ETO Ny eto fandalovana ka andeha hasiana sivana ny mamy tsy aritra ; misy fahatsiarovana tiana hampahatsiahivana ireny mahafinaritra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/heloka
HELOKA
Fredy Jaofera
HELOKA Na misy aza ny hatsarana mamelombelona sy manitra ary soa tsy misy fetra, rehefa manjaka ny hadalana dia heloka ny, hoe, maranitra amin'izay atao rehetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/itsikiako-foana
ITSIKIAKO FOANA
Fredy Jaofera
ITSIKIAKO FOANA Itsikiako foana ny fiainako anio, na impiry noana ka mba tadidio. Itsikiako foana ny andro rehetra, na mahamoana ny ratra mitoetra. Itsikiako foana ny sedra nidona, na manoloana, sento mirona. Irsikiako foana ny zava-nahazo, na teo ny saona nanary ny vazo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tadidinao-ve
TADIDINAO VE ?
Fredy Jaofera
TADIDINAO VE ? Tadidinao ve ny tantarantsika fa ranomaso re, mila handriaka ? Tadidinao ve ny voady taloha fa aty mbola te hampisy tokoa ? Tadidinao ve ireny sedra ireny fa nandreraka be fony teny ho eny ? Tadidinao ve ilay fitiavana iny fa mamiko ange, na ankehitriny ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/lalanny-misy
Lalan'ny misy
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Lanitra hatraiza No indreny fa voatetiko Nivahiniako tany Sy nizahako ny hafa Ankoatra ny hita ety. Hay tsy foana akory Ny velaran'habakabaka Tazako hatrizay Novinaniako teny Ampangalana aina Tsy hitako izay kintana Mamiratra fijery Tazako isan'andro Nifindra lasy angamba 'lay volana mpitatitra Ny hafatro isan'alina Fa tambatry ny vintana Mifono misitery Miery ilay masoandro Dia io'lay mangamanga Mitahiry sy mirakitra 'Reo misitery lalina Sento vitsivitsy No teraka tsinahy Nandritra ireo minitra Nizorako ny toerana Onenan'ireo olona Voasoratra ho ''izy'' ''nofinofy'' no ''izy'' Dia natao ny rafitra Hametrahana azy Ho isan'ny ''misy'' Tsy nomena akory Izay hany mba ''safidy'' Fa indry avy ny vintana Nanolotra azy hery Mba hifanaraka amin' Ny fotoana niforonany Fa rehefa ''nisy'' ny ''hery'' Dia notafiany toetra ''fanahy'' sy ''saina'' anaty Sy fehi-potoana koa Nomeny fa voafetra Ho azony ivelomana Dia iny fa voasoratra Ilay ''misy'' ''nofinofy'' Nefa nofin'iza? Dia iny nisy boky ''voasoratra'' efa ela Mirakitra tantaran' Ny velona anankiray Nozahana tao 'lay ''misy'' nosoratana Nojerena ny andro Izay efa voatendry Hamoronana azy, Hamoronana ho azy Boky vaovao. Dia notendrena ireo Hanorotorona ''azy'' Hipetraka ao ambohoka, Tsy ho afaka handà Tsy ho an'isan'ireo pejy Mpandravaka ny boky, Boky efa ''misy'' Tsy fata-dohateny. Fa rehefa ''nisy'' ''izy'' Nitsaika tao ambohoka, Natolotra ny velona Ho tolotra sy anjarany Tsy ''safidy'' akory Ho an'ireo naniry No sendra ka nahazo, Na kisendrasendra Na ditra sy hadalana. Fa tolotry ny vintana, ''misy'' efa ''voasoratra'' Eo amin'ny tantarany. Ka tsy azon'iza antsaina Izay fehi-potoana iainany Misy ireo ''nomena'' Minitra vitsy monja, Andro vitsy monja, Na volana nisaina, Dia iny nofoanana Ho tsy ''misy'' intsony Tsy azo notazonina Dia indreny ''lasa'' ireny Lasa nefa aiza? Natao sokajiny avy Nataony misy lehilahy Sy misy vehivehivavy, Nataony ''misy'' endrika Iray mba nitovizana, Nataony ''misy'' feo Sahala ifaman-tarana, Sy fanahy anaty Hampisongadina azy, Nofitafiny toetra Samy hifandraika Ho amin'ireo voasoratra Namoronany ''azy'', Dia aina iray sahala Fa tsy mitovy fetra Fa araky ny anjara. Vantana sahala Tsy manana fahaizana, Tsy manana fananana, Tsy manam-pahafahana, Tsy manana harena, Tsy manana safidy, Tsy manana anarana, No natolotra ''azy''. Dia nomeny ''zo'' Hanana ''safidy'' Ireo notolorany ''azy'' Hamorona ny anarany, Dia 'zay vao ''tena nisy'' 'Lay ''misy'' hatramin'izay. Fa nomena fahafahana, Ho afaka ho irery. Nomena fiaraha- monina. Nomena masoandro. Nomena ireo filàna, Sakafo, fitsaboana, Fitafy, torimaso, Tomany, sy hafaliana, Nomena ny tontolo. Navela mba hiaina. Teo no niheverako Fa samy hafa angamba Ny bokin'ireo velona. Fa misy ireo nataony Lafatra sy sambatra Ho boky be matevina Tsy misy fahoriana Misy ireo nataony Ho sento no mitambatra Ho zezika milevina Eo amin'ny fisiany Teny an-tany teny No nahitako fa Lanitra samy hafa No hany nanandrify Ireo ''misy'' tsirairay Misy ireny rahona Misy masoandro Misy koa ny kintana Misy koa ny volana Misy noho izany Ireo fiainana samy hafa Natolotry ny vintana Ny ''misy tsirairay Ohatra amin'reny Fiainana ankiray Nalahatry ny vintana Atolotra ny ''misy'' Ety an-tany ety Zazavavy iray Natsipitsipin'ny onja Iaina sy ivelona Eny ambany lalana Tsy nisafidy akory Ho isan'ireo ''misy'' Ivelona eto an-tany Fa sitraky ny vintana Ho voasoratra ho ''misy'' Dia tsy maintsy miaina Zazavavy iray Mavomavo lamba Avy any ambanivolo No tonga hivahiny Teto andrenivohitra Izay zazavavy izay Mba nanam-paniriana Sy hetaheta maro Ny hanana fiadanana Ny fahazazan'i Sedra Ireny kosa anefa No lasa zary sedra Nasesiky ny vintana Ho ravaky ny fiainany Lay hery iray tsy fantatra Nanorina tontolo Ny rafitra sy lalana Hizoran' ito ''misy'' Dia i Sedra sy ny fiainany. Vao tany ambohoka izy No efa tsy safidin' Ireo ray sy reniny Ho tonga ety an-tany I Sedra sy ny fiainany. Toa zaza tsy niriana. Dia iny fa nandao Tsy nahita azy akory Ilay ''misy'' iray voatendry Ho tokony iangotiany, Ho tokony ianteherany, Dia ilay natao ho rainy, Tsy hita intsony intsony. Lay reny sisa teny, Nizaka samirery Ny ditra sy adalana Niarahany nanao, Ka nampisy tsy nampoizina Ity zaza tsy safidiny. Ireny sedra ireny Raha toa ka tsy safidiny Dia mety ho anjara ve, Anjara avy amin'iza? Sa fitia tsy mba voafehy, Tsy nofehezin'iza? Sa lahatra voasoratra Tany ampamoronana, Dia nosoratan'iza? Tapitra ny volana Sivy nosoratana Hitoerany ao ambohoka Dia tonga soa aman-tsara Teny an-tany teny Dia novelomin-dreniny Tanatin'ny fitiavana, Nomeny zo tokoa Na dia tsy safidiny. Sakafo, kilalao, Teny mamy koa Mandram-pahalehibeny. Zaza teny Sedra Nitombo taona, saina, Tsy nahalala akory Fa kamboty velon-dray, Tsy nisafidy akory Ho isan'ireo misy Teny an-tany teny. Nandeha ny taona vitsy, Iray, roa, telo Nikiry mafy teny Ilay reniny mahatra Nitaiza samirery, Nizaka ireo sedra Natoraky ny fiainana. Tantsaha mpamboly iray Ambanivolo tany No hany loharano Nipoiran'ito ''misy'' Niezaka nioitra Niezaka nitady Niezaka namelona Niezaka nitaiza Ito tohin'ny ainy Niroso teny ny ora Nitombo taona teny Ilay misy tsy nampoizina Tsy nampoizin'iza? Fa efa nosoratan' Ny vintana ho misy. Nandeha ny taona dimy Efa anjara angamba Fa lavo tsy nampoizina Ilay reny sady ray Andry sady zohy Toky sy fieren' Ilay lakana vao iainga Hamakivaky iny Ranomasimbe Tsy mbola hita fetra Zay feno fisedrana Olona iray No notendren'ny vintana Ho mpanamory tokan' Hisolo ny efa lasana Mba tsy hahatsapany Fa nofafan'ny fasana Ilay namela ny aina Ho heriny mivelona Dia iny tokany iny No zary lasa zohy Sy akany fialofany Mandram-pahalehibeny Nanampy azy hisedra Ny tany sy ny taona Tanaty fiaraha-monina Tany ampiangonana 'Lay toerana natokana Ho entina hanomanana Ny lalan'ny fanahy Hizorana hatrizay Rehefa miala ety Lay lalambe tsy fantatra Hoe nosoritan'iza? Hizotra koa hankaiza? Haharitra rahoviana? Fa nalentika ao antsainy Fotsiny ny hoe: Any no hizotra Ny fanahiny hatrizay. Tanaty fiaraha-monina Tanatin'ny sekoly Fiaraha-monina faharoa Nanampy nanabe Ny tena sy ny saina Hifangaroharo Amin'ny ''misy'' samihafa. Nampianatra azy hanoratra Zavatra samy hafa. Dia nahatsiaro sambatra Teny ilay ''misy'' Na dia tsy nisy ray, Na nosoloina reny,
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anie
ANIE
Fredy Jaofera
ANIE Fiadanana anie, hanaraka anao amin'izay aleha misantatra izao. Fitiavana anie, hameno etoana ny nofy marobe tsapa marobe. Fidinana anie, ny lalana tiana hizorana ange, na rahoviana ? Fitaratra anie na koa modely ka ho rehareha mainka hahely.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/aloka-sa-nofy
ALOKA sa NOFY
NY Andri-Fara
MAHANTRA FITIAVANA Tantara mampalahelo. Tantara mampieritreritra. Raphaël no anarako. Mety mana-namana na sakaiza mitovy amin’ny anarako ianao. Angamba ianao io mihitsy no mitovy amin’io anarako io. Tsia! Tsy mitovy ny tantarantsika, ary izany no hiangaviako aminao tsy hitsetra na hangoraka ahy akory. Eny, fa na dia hametraka alahelo ao am-ponao aza…avelao ho zakaiko na tsy… Fahanginana no namaranako ny vetsovetso anikeo maraina. Nangina aho ray mbola hangina tanteraka, satria izay ihany no fomba hanasitranako ny feriko.Na dia niezaka nampangina any sentosentoko aza aho dia vao mainka nampihazakazaka ny ratram-poko. Nahoana hoy aho no ianjadiam-pahoriana tahaka izao foana ny androm-piainako.Nahoana a! nahoana no tsy maintsy ho izaho no hiaran’ny herisetram-pitiavana? Tsy fantatro! Angamba , tsy nijery ahy ny lanitra …ny tany! Toa mandatsa ahy fa lavo. Nahoana? Nahoana ! izany foana no hamenoako ny ato am-poko.Miangatra ny lanitra sa ny tany no ratsy fanahy. Tsia an! Ny Olombelona tahak’ahy no fototr’izao…kanefa. An’iza ny safidy? Moa tsy ahy sa azy! Tsy fantatro. Izy no tompon’andraikitra ny amin’izay hifaharany. Angamba hoy aho mbola hiposaka…hiposaka amiko ilay karazan-kazavana avy any atsimo atsinanana. Miandry azy foana aho mba handefasany amiko ilay tsoran-drivotra mafana, mba hamelombelomako ny aiko. Ny aiko. Saika ravan’ny ankaso. Fitiavana! Tsy misy fantatro ny aminy. Teny sivy natambatambatra no nanomezana azy ary nandrafitra azy ho teny iray. Izay ihany no fantatro. Ny ankoatra izay tsy misy haiko. Asa! Fa raha ny tantarako dia mahantra ny fitiavako. Olon-tiana ve! Sa olon-tiavina! Tena tsy misy fantatro. Vao nogadona teto an-tany aho dia dia ady sy fifamonoana no hitan’ny masoko na tsy fantatro aza. Tsy maba ninono tamin’i Mama aho satria niharan’ny vono-kavana izy ary tsy mba nanatrika akory ny batisako ity nitondra folo volana an-kibo ahy. Nanomboka eto ny tantarako ary tsapanao amin’izany fa tsy mba hary fitiavana aho…Fankahalana no mba hitako voalohany, na dia izany aza; nitoetra mba hitia ny manodidina ahy aho. Nampianarin’ireo masoandro amam-bolanay hifankatia izahay mianadahy avy. Havana ve! Misy saingy Havana tsy misy atoraka tsy mba havan’ny manana. Nandalo ny fahazazako aho, toy ny zaza rehetra dia nihanta tokoa tamin’ny lafin-javatra rehetra na inona na inona. Nitovy tamin’ny zanam-bahoaka. Nianatra sy nitafy ary nihinana toy ny zaza mitovy taona amiko. Tratran’ny lozam-piarakodia aho fony aho sivy taona. Nijaly tokoa aho nanomboka teo satria nanan-kilema. Voatery nihafihafy teo, nahatsiaro ho resy sahady ary nihevitra fa tsy hisy hianteherana sahady. Nandalo ny ora, niteraka ny andro izay nitambatra ho volana ho lasa taona roa na telo na efatra. Voaray ho isan’ireo miely sakany na irony taona hitomboan’ny vatana irony ka mihevi-tena ho efa olon-dehibe. Tanora mantsy ka niezaka nitady izay ahasoa ny tena. Tsy nisy tsy nataoko na matsaka ranon’olona na maka mpianatra. Indrindra fa nanadio ny tatatra fanarian’olona maloto na irony faritra fanasiana maloto moderna irony. Nataoko avokoa rehefa ahitako vola. Nanjavona tamiko ny fitiavana, tsy mba hitako sy niainako izany. Ny olona ihany koa rehefa mahita ahy dia ny fanarabiana no nifafy ho solon’ny endriko sariaka mitady fahafahana. Tia fa nankahalaina. Tao anatin’izany rehetra izany no nanombohako hivelona ho an’ny tenako. Tsy laviko ny fahantrako fa laviko ny fanosihosena ny zoko, hiaina toy ny olon-drehetra. Hatreo dia irery aho ary natahotra hiara-belona amin’ny olona. Efa nihatra tamiko ny jalim-pahoriana lalina indrindra na teo amin’ny maha olona na amin’ny maha izaho ahy ka niafara tamin’ny fianarako. Ady foana ary mbola ady no entiko handreseko ny olana miajady amiko na ho rendrika na handresy. Rahoaviana anefa. Asa! Atreto aloha dia haizina no mameno ny fiainako. Kristiana aho ary notaizana tamin’izany. Nanohy nampitaha ny fahendren’izao tontolo izao sy ny tontolon’ny fisainana lazaina fa Kristiana aho saingy tsy nahita mangirana. Fanenjehana sy ramatahora ary fanilahana andraikitra no tsinjoko. Misy mihevitra ahy fa toy izao sy toy izao, kanefa na dia miorina ho amin’ny finoana an’ilay Andriamanitra tokana sy Jesoa Kristy aza eo amin’ny fanompoana isan-karazana amin’izay manavanana ahy dia zary lasa eson-tena sy famonoana ny aim-panahiko no mitranga. Kristiana aho. Kristiana ihany koa ireo manodidina ahy…Indraindray aho no miaina ao anatin’ny tahotra sy ny horohoro. Nahoana re e! Taonan’ny Fahamarinana sy ny Fahamasinana ny taona 2002. Telo taona izay no lasa. Mbola miaina ao anatin’ny fahantrana ny vahoaka malagasy. Manjaka ny halatra sy ny asan-jiolahy ary ny fangalana an-keriny zaza na olon-dehibe mba atakalo vola. Misy ny maty ary tsy ferana ireo tsy hita popoka sy nitondra takaitra. Ao ireo mpanao afera tovovavy halefa any ivelany hanao asa fivarotan-tena. Tsy ferana ihany koa ireo mpanao afera maizina momba ny taovan’olombelona. Miroso ho amin’ny fanjakan’ny kapitalista ny mpitondra ka saran’olom-bitsy no mahazo tombontsoa manoloana izay lazaina fa ho tombontsoam-bahoaka no arovana. Tsy misy mangirana izay lazaina fa fampihavanam-pirenena no atao. Fanina ny vahoaka. Fahiny mantsy mba nalaza sy nankalazaina ny tanimbarin’ny Laniera sy ny fampanantenana poakaty. Ny asa omena ny tsy an’asa ka nahazo vahana irony natao hoe T.T.S na ny Tary Tonga Saina sy ny Zoam. Fanina ny vahoaka, Kilalao politika no misy; fanamafisan’orina sy tanjakin’ny antoko no hita sy re. Halamina izay azo alamina ka ny firariana dia ny hisian’ny filaminana. Mikorotana ny fianarana, tsy hita hoe hatraiza no tanjona. Ny Fiangonana heverina ho ray aman-dreny toa mampisara-bazana ny mpiray Finoana. Hatraiza no hizoran’ny fiadanan’ny ambanilanitra. Vola atsy, vola aroa. Misy ny vola fa ny hampiasaina azy no tsy misy. Izany rehetra izany no nanosika ahy hankahala ny fitondrana izay lazaina fa miorona ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nitambesatra tao amiko ny hikam-pitolomana sy ny fitiavan-tanindrazana satria manana anjara amin’ity tanindrazana malala ity aho. Tao anatin’izany no nandavoako ny fianarako. Septambra taona 2002. Izany no taona sy volana nangidy teo amin’ny fiainako ka nitondrako ny mafy sy ny mafaitra indrindra. Tsy maintsy lavo satria niniana nazera. Nifangaro tao an-tsaiko ny fahorian’ny taniko fa rehefa misy tanjona handrodanana ny efa nijoro dia ny vahoaka no natao sorona ary ny vahoaka ihany koa rehefa avy eo no mbola hizaka izay vokany eo. Efa niainana izany hatramin’ny fitondrana telo nifanesy. Tsy misy ary tsy ho hisy izany fihetseham-bahoaka izany fa ny antokon’olona na vondrona politika na mpanohitra no mitarika izay lazaina fa fihetseham-bahoaka. Mazava ho azy fa tanteraka ny tanjona, satria mitaky fiovana ny olona efa leon’ny fahantrana. Izany no zava-misy teto ary mbola hiainana amin’izao vanin’andro efa mazava be izao. Ary nampiasaina avokoa rehefa hery velona rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Rava ny firaisana ary nanjavoana tsikelikely ny soa-toavina malagasy. Tao anatin’izany tontolo izay no nifafy tao amiko ny fankahalana ny tontolo nanodidina ahy. Tsy mahita afa tsy ny lafin’ny ratsy foana ka nanafoana ny zo maha olombelona. Hoy ny Tompo hoe: “ Izay tsy nanota taminareo no aoka hitoram-bato azy ”. Aiza izany ankehitriny kanefa dia olom-piangona anie no maro amin’ireo mpitondra e! Raha izany no teo amin’ny Fireneko izay hikambanana. potika kosa ny fianarako izay nandaniako ny fotoana telo taona tany lavitra tany. Tsy hanam-potoana hiresahana izany intsony aho satria efa mandiva hiletika ny androm-piainako. Eny, nihamaizina teo ny tontolom-pitiavako…saingy ankehitriny tsy afaka mitsotra hanazava indray ny fahoriako aho…I Andry sakaizako no hindramiko hanohy aminao ny vetsovetsom-poko. Efa hiditra ao anatin’ny torimaso lalina aho mantsy…ka handao tsy ho ela an’ity tany be ankasomparana ity. Malomaloka ny faravodilanitra. Injao mijoy tsy mitsahatra ny erika fa mifafy mandena ny olona eny rehetra eny. Teo am-piandrasana fiara hodiako any Ambatomaro aho no nifanehatra tamin’ireo tovovavy maromaro avy nianatra nibaby kitapo. Anankiray tamin’ireny ianao ry Nofy ary mbola tadidiko tsara fihetsikao sy ny tsikinao niantefa taty amiko. Babonao sahady ny fitiavako. Resinao tanteraka. Taona fahatelo ianao tamin’izany. Eny, fa na dia efa tao anaty fiara aza isika dia nibanjina anao an’eritreritra aho foana. Efatra ambin’ny folo taona ianao tamin’izay. Tsaroako tsara iny fihaonantsika voalohany iny. Tsy nifanena intsony isika nandritra ny folo taona satria voatery nandeha lavitra aho mba hila ravin’ahitra tany ambany tany. Tsy nifankahita isika raha tsy ny taona 1972. Tadidinao tsara satria naratra ianao raha iny nitoraka an’ilay F.R.S iny ianao no voatifitra ka lavo. Fifanjevoana be mantsy tamin’iny tolon’ny mpianatra hitakiana ny fitoviana iny ka nivadika ho fitakiana hialan’ny Filohan’ny Nosy. Sendra nidina teto Iarivo aho ary nizotra namonjy ireo mpiasa namako no nahatazana anao efa nihoson-dra. Naratra mafy ianao ary tamin’izany no nifanonjo fanindroany indray ny fitiavantsika. Heritaona taty aoriana dia dia natao ny raharahantsika ary ny taona nanarak’io dia teraka ny vavimatoantsika. Tonga i Tatamo ilay fanantenantsika. Dimy taona izao ny zanako. Dimy taona sahady. Tao anatin’izany no nifaneraserako tamin’ny Raphaël. Tsy mbola vita akory ny fifamofoanay sy Nofy dia efa mpisakaiza izay roalahy. Ankehitriny dia fasa-manirery ery am-pihaonan-dàlana no hitondrako azy mianaka. Fantatro fa tsy maintsy hanontany ahy ny zanako na ny vadiko, efa niomana tamin’izany aho. Tonga teo amin’ilay toerana izahay telo mianaka. Mbola tao anaty fiara izahay sy Tatamo fa i Nofy somary nivoaka kely teo ivelany. Raha mbola tsy nigadona teo aho no nisy vehivavy iray nametraka fehezan-draozy fotsy teo an-doha fasan’ilay sakaizako. Samy nangina izahay ary niantso an’i Nofy sy ny zanako aho. Niangavy azy ireo aho hitondra ny anjara voninkazonay. Saingy tsy halazo intsony fa namboleko mihitsy teo anilam-pasany ilay fehezam-beromanitra iray nongotako teo am-baravarany. Nifafy indray ny Erika. Tsaroka indray ny lasa…nofihiniko ny zanako dia nizotra moramora izahay hamonjy ny fiaranay. Teny an-dàlana no nanontany ahy Tatamo tamin’ny feo mibadabada. - Dada! Iza kay ‘lay o-lon-a no-van-gia-ntsika teo…ilay mile-vina ao am-ban-in’iny va-to iny. Ho-no ho-a Dada a? Nanomboka teo dia nitantara ny fiainan’ilay sakaizako aho… Ako Navalona Fanambinantsoa. Tovovavy bako malanto, lava marotsaka mivolombola bikana sy miendrika safiotra, nefa malagasy ray sy reny izao. Ny volony tsy lava kanefa tsy fohy amin’izato endriny misahindrahondra ery. Mazava mahafatifaty amin’izato endrika feno tsiky lava…ny hadiniky ny rantsan-tanany sy ny rantsan-tongony aoka fotsiny…ny ranjony fotsy zarazara malandilandy tsara tefy. Ny feony mikarantsana malefaka mila tsy ho heno, mihantahanta sy faingam-pikoriana toy ny onjan-drivotra ao anaty vero. Ampy amantaranao ny momba azy ireo ry Nofy malalako. Tovovavy mananika faha roapolo taona i Ako. Faravavy izy ary hany vavitokan’Ingahy RASOAMANAMBOLA sy RAMAROHANTA Volanoro. Izy mivady ireo mantsy dia sady tompom-pahefana tao ANDAINGO no mpanefoefo tao an-tanàna. ANDAINGO, dia tanàna kely iray tsy lavitry ny renivohitra no misy azy. Trano efatra arivo tafo no tazana mirentirenty raha vao mitazan-davitra ianao. Ao no mitafo fanitso ao ny mitafo bozaka ary ny tanimanga. Hitanao eny an-tsefantsefany eny ny trano bongo mitafo bozaka efa kokan’ny ela. Efa nandroso tamin’ny andron’ny faha mpanjaka ny tanàna ka tsy mahagaga raha mandroso ankehitriny. Ingahy RASOAMANAMBOLA dia iray amin’ireo taranaka nahazo tombontsoa teo amin’ny vanim-potoana rehetra nandalo teto amin’ny Firenena. Amin’izao dia mitana andraikitra lehibe eo anivon’ny fandriampahalemana izy ary azo ambara fa tompom-pahefana.Trano tsara tarehy sy mifefy manodidina, voaravaka zaridaina mahafinaritra no itoerany. Eo am-bavahady dia misy soratra miloko ranom-bolamena. “ VILLA AKO NAVALONA ”. Fiara telo no ravak’izany tanàna izany. Tsy mijery lavitra ianao fa eo akaiky eo misy trano bongo iray, tsy mirefy in-droa metatra tora-droa akory ny sakany ary telo na efatra metatra dora-droa kosa ny lavany.Trano tany, milalotra tany ravo fotsy. Raha vao mijery ilay trano ianao dia hihevitra fa tranon’akoho na trano tsy misy ilaina azy intsony amin’izato endri-baravarana efa tonta ny ela sy kokan’ny orana, toy ny tranom-pamosavy hoy ny olona. Ny loto tsy lazaina intsony. Mba nisy vonin-draozy iray izay teo fa sady efa lasa dia no ringitra ka zary hitoeran’ny voalavo sy ny bibikely rehetra.Raozy mavokely izay ilay izy, mitory aminao ny fahantrana. Veromanitra iray mamelena eo an-tokonam-baravarana no manome hanitra ny tanàna.Tao no nanambeazan’ireo nahitany masoandro an’i Fiononana sy Raphaël. Efa ho dimy taona izao mantsy no nandaozan’ireo masoandro amam-bolany. Nifanao herinandro monja ary tsy nazava tamin’ireto zanany akory ny nahafatesany. Ny rainy no lasa aloha vao nanaraka ny reniny.Olom-be tao an-tanàna ihany RARIVO Raphaël sy Ranerisoa Fiononana kitapo nifonosan’izy mianadahy, saingy potraka tsy fidiny ka lavo noho ny hetraketrakin’ny Olombelona. Azo lazaina fa mpinamana tsy nifankafoy izy sy RASOAMANAMBOLA rain’i Ako. Tsy vao ireo ray aman-dreny taloha ihany fa ny razany tany aloha tany. Mianatra eto an-drenivohitra amin’ny sekoly iray ambaratonga faharoa malaza i Ako, ary kilasy famaranana. Raha afaka eo moa izy dia efa nampiomana azy ny rainy fa mety izy no hitantana ny toerana fitehirizam-bola haoriny tsy ho ela ao ANDAINGO. Efa hatramin’izy folo taona no mpiara milalao izahay, mpinamana sy mpiara-mivavaka no iray sampana ihany koa. Tsy mitovy ny farim-pananana sy ny saranga teo amin’ny ankizy fa tsy nahasakana anay tsy ho iray tarika izany hoy Rapha tamiko raha sedra mba tafaresaka izahay. I Ako sy ny anabaviny rahateo, mitovy taona, mitovy tarigetra saingy tsy navelan’ny fahantrana ity farany. Zandrin’ilay sakaizako folo taona i Ako ry Nofy. Izy rahateo tsara tohana ka mandimandina, rehefa mba misy dia aleha, mangata-maso any an-tranon’i Ako, sitrany ahay ma mihena ny vola sy ny mpandeha. Misy tetika io satria iza no tovolahy tsy misary zoro aminy. Tsy noho hareny fa noho ny fahatsaram-pony sy ny bika aman’edriny. - Nofy! Eo amoron-dàlana mizotra ho any aminay dia misy renirano ao “ FANDIAVANA ”no anarany. Madio mangarahara izany renirano izany. Manondraka an’ANDAINGO manontolo, hany ka tondraka ny voly rehefa hioty azy. Mifototra amin’ny voly kafe sy ny mangahazo ary ny fambolena fary ny olona. Ao amin’io renirano io ihany koa any amin’ny faran’ny tanàna dia ahitanao rian-drano mahafinaritra atao hoe: “ ANDRIANA ” izay mpanome herin-jiro hoa an’ny mponina. Ao ihany koa koa no hisintonana ny rano hosotroina, hanasana lamba sy hidiovana ary hilomanosana rehefa tsara ny andro. Isan-kerinandro dia mifampitaona ho eny mba hilalao papango na hilomano ny ankizy na koa hitsangatsangana fotsiny. Isan’irey Rapha sy Ako ary ny namany. Vola tsy toko tsy forohana ry Nofy no azon’Ingahy RASOAMANAMBOLA rain’i Ako, amin’ny maha mpiadidy azy. Hany ka mitobaka ny harena efa misy rahateo, na izany aza, Tsy Azo lazaina ho ol-miavona izy mivady. Tsy hay hoy ny Tanora. Tsy dia be resaka kanefa, sariaka foana. Asa! Noho ny tahotry ny harena angamba. Aminay mpinamana,tao an-tanàna dia i Mira Fiononana sy Rapha mianadahy irery no tena sahirana, mpitrongy vao homana raha izany no azo ilazana azy. Saingy hain’izy ireo ny manafina izany fahantrany izany. Mihinana toy ny olon-drehetra ihany, mitafy, mianatra. Saingy, tsy navelan’ilay trano bongo tsy ihiratra. Taona faharoa eny amin’ny ambaratonga ambony izao i Mira. Ary ny sampana lalàna no ifotorany. Fantatrao tsara tsara satria efa niray toerana ianareo fony tetsy Besarety, akaikin’ny sinema RIO taloha. …Tampoka teo. Do! Hoy ny fitobakin’ny rano teo ambaninay. Sendra nijanona kely mantsy izahay telo mianaka. Nojereko ka tsy teo ny zanako. Tatamo! Hoy ny fikiakiako.Tsy nisy namaly. Indro tovolahy kely iray tsy misy hivoasana amin’ny Rapha na bika na endrika nitondra an-janako efa malemin’ny rano, tamy manatona anay mivady. Nofy, hena velona, izaho lasa saina. Nokosehiko ny masoko sao nofy atoandro; Tsia! Olon-kafa mitovy volo amin’ilay sakaizako. Napetrany I Tatamo dia lasa izy ary tsy niandry izay fisaorana avy aty aminay akory. Noraisin’i Nofy ny zanany dia namihana ahy izy mianaka. Nitsoka malefaka ny rivotra, injao naneno ny lakolosim-piangonana, mitaraindraina, manambara fa hisy faty hiditra ao. Iza re e! hoy i Nofy namihana ny tanako. Injao nirotsaka ny Erika nifafy taty aminay. Voatery namonjy ny fiara tery amoron’ny arabe, satria nifafy loatra; zary lasa orana ny Erika nanify teo. Nihiaka ny zanako, nanondro ilay fasana misy ny zakaizako.Nihamafy ny fiavian’ny Erika ary mila tsy ho tazana ny mpandalo. Fa maninona ny zanako hoy i Nofy. - Maman! Hoy i Tatamo, misy olona mandalo iny, mametraka fehezam-boninkazo eo amin’ilay fasana misy ny naman’i Papa! Novohain’i Tatamo tampoka ny varavaran’ny fiara. Lasa izy nanatona ilay fasana…hitanay mivady izao saingy toa Tatamo irery no tsinjonay nanoloana ilay fasana. Novelomiko ny fiara dia nantsoiko ny zanako…any an-trano hoy aho, tohizako ny fitantarana. Alina ny andro, alina toa nifona zavatra hafahafa. Nanavy be i Tatamo, ny vadiko anefa roa minitra raha be indrindra dia ho tonga ny vahininay faharoa. Mbola teo am-panomezana fanafody an-janako aho no nanomezan’i Tatamo ahy taratasy mifono tsy lena. Tsy nanontany an-janako aho fa lasa nihodina tao an’efitra. Reko fa teraka vavikely i Nofy ary i Meva no nataony anarany. Niverina tao amin’i Tatamo aho rehefa avy nametraka ny fihainoana ny antso an-taribia. Nambarako azy fa tonga ny zandriny, ary vavikely mahafatifaty, saingy natory ity farany. Tsy andriko ny hamarain’ny andro hamonjeko azy mianaka. Nofohaziko i Tatamo zanakay vavimatoa kanjo, lasa halina ny zanako. Saika lasa adala aho, nopotehiko avokoa izay rehetra voaray sy sendran’ny tanako. Nibanjina an-janako aho. Hena velona, nangovitra nipararetra. Tonga i Meva hoy aho dia lasa Tatamo. Notsapaiko fanindroany ny fony, fa tsy nitempo intsony. Valo taona izy izao nandao anay izao. Nangina nandritra ny fotoana maharitra ny tokan-tranonay. Tsy sahinay novohaina ny efitranony. Nanjary nampanginina ny hira maminy fahiny manao hoe: “ O! ry Raiko izay malala ”. Nangina toy izany koa ny ngidin’ny ankaso namely anay noho ny fandaozan’ilay menaky ny ainay. Dimy taona izao i Meva. Sahirana ery i Nofy, eo am-pikolokoloina sy mikarakara mafy ilay solon’i Tatamo. Injao izy mamafa ny ranomasony ao an’efitra ao, mib anjina an’i Meva, efa ao anaty torimaso. Niarina nanatona ahy. - Andry! Mampahatsiahy ahy ho mifono zava-miafina, saro-patarina i Tatamo sy Rapha sakaizanao. Hatreo amin’ny fasana, ilay zavatra mifono tsy lena teny an-tànany, ary ny tantaranao. Iza marina io Raphaël io. - Nofy, hoy aho. Efa impiry naveriko taminao fa olon-dresy izy. Natositosikin’ny fiaraha-monina. Rapha…averiko aminao indray ve ny tantarany? Nibanjina an-janako aho, avy eo nanompy maso an’i Nofy, ary nandray ny tànany, ho eo an-davarangana. - Nofy! Tsy mbola tafita akory i Mira Fiononana. Na izaho aza sahiran-tsaina hoe: “ Iza ilay tovovavy narahan’erika nifafy teo am-pasana, ka nahatonga an-janako nivoaka tampoka tao anaty fiara ”. Tsy iza io rahavako fa i Mira. Mba nanatita ny anjara voninkazony teo an-doha fasany anadahiny. Tsy tazantsika izy satria nifanatrika sy nifanila tanteraka izy sy Tatamo, izay nahazo toerana somary avoavo, noho ny dongom-pasana eo anoloana izay nijoroan’i Mira. Tamin’izany no nanolorany an’ilay fonosan-javatra hoa antsika. Vao nosokafako ilay izy dia sary maromaro no hitako tao. Inoako fa ny iray amin’ireo dia an’i Ako, satria io no betsaka tao. Rapha sy ny tsiambarantelony, nilazany fa mahantra ny fitiavany sy ny filazany fa sao dia ny fitiavany ary no mahantra. - Nofy! Eson-teny, latsalatsa tamin’ireo noheveriny ho sakaiza no zary to nandratra ny fony. Ako…ilay notiaviny tsy tia azy; Eny, nefa tsia! An, an, hoy Rapha. Tsy ny sakaiza no manody fa izaho no efa ratsy vintana. Natao ho tiavina ny vehivavy fa tsy natao ho tia, ka nahoana izy no nanolotra fitiavana nifandiso nampifamadika ny tia sy ny tsy tiana? - Nofy, aminao ve ny fitiavana , sandaina vola aman-karena na ko amam-bika aman’endrika? - Tsia! Ry Andry - Hay! Hoy aho, na nisy izany teo amin’ny fiainan’i Ako sy Rapha dia azo ambara fa notsarain’ny fiaraha-monina ho adala I Rapha raha namboraka fitia an’i Ako. Tsy sahy nanambara akory izay mba vetsovetsony tao am-pony ka nitondra moramora ho amin’ny famoizam-po. Tsy tia ankolaka i Ako noho ny fanerana ataon’ny namany azy, nalemy nanoloana ny safidiny. Tsy tsapany akory izany atao hoe fitiavan’olona azy. Nandresy tao am-pony ny vavan’olona sy ny teny fanarabiana natao ho an’ilay nitia. Nanjaka loatra tao aminy izany atao hoe: “ Lanjan-karena sy lanjan-tsaranga ”.Nibahana tao an-tsainy loatra rahavako ny toe-tsaina manambony tena. Nikasika sigara, nanomboka teo Rapha. Nanomboka teo ihany koa ny fankahalany ny olona. Nankalaha tanteraka ary nihevi-tena fa hamono ny tenany satria olona ihany koa. Na izany aza tsy nihevitra azy ho adala aho, tahaka ny olona sasany nivitra azy ho adala. Tahaka an’ireo mpiara-nianatra taminy fahiny tany amin’ny toeram-panomanana ho mpitandrina, eny! Fa na dia ny mpanabe aza, nihevitra azy ho tsy salama saina. Raha izany kosa ny fihevitry n y olona, nanjombon-dava teny ny sakaizako. Teo am-bavany mandrakariva ny anaran’i Ako, ny fahareseny manoloana ny fiainana an-davanandrony. Tsy nisy olon-kafa afaka mandray ny toerany na dia nolazaiko aza ny fisian’i Hoby ambamin-dry Oly. Tiako mantsy mba hiodinan’ny sainy amin’olon-kafa. Indrindra fa i Hoby, izay tsy mifankaiza na eo amin’ny lafiny bika aman’endrika na ny harena. Tsia! Hoy Rapha, tsy hay kosehina ato am-poko ny fitiavako an’i Ako. Tia azy loatra aho, ka amin’ny fomba ahoana no hanadinoiko ny tantarany?. - Nofy! Tsy fantatro hoe tamin’ny fomba ahoana no nandaozany anay, fa maty izy. Ary maty nahantra. Maty tsy mba narary notsaboina akory, tsy natrehan-kavana. Tsy mbola vita ny tantarako. Tafatsangan’i Meva ary tamy nanatona anay teo an-davarangana. Noraisiko ny zanako. Tampoka teo namofona veromanitra ny tranonay. Nivaloharika ny vadiko. - Nofy, hoy aho. Nararaky Meva ny ranomanitrao, jereo ange fa lany avokoa ny tao anatiny e! Tsy niteny i Nofy. Asa! Midika inona aminy izao tantara izao…Tonga ny alina dia, resy tory izahay telo mianaka. Nakipiny moramora ny masony ary tao antin’izany tsy fahatsiarovan-tena tsy maharitra izany no nandrenesako feo nivoaka tao am-bavan’ilay olon-tiako, vady malalako, amboaran-tsoratra miteny efa reko. Tononkalo nomen’i Ako ho any Rapha. Tsy mba mpanonofy miteny ny malalako fa nahagaga ny…Nofy hafahafa. Atopatopan’ilay onja Dia ny onjan’eritreritro. Ka injao reko mitombo, mihamafonja; Izany fahatsiarovako anao. Fotoana fohy, fa manan-danja No mba noferana ho antsika. Andro vitsy nampisy onja, Nampifandray ny fiainantsika. Ianao hiezaka hanadino Ireny lasa tsy azo haverina. Izaho kosa tsy mba mino; Fa hahay hamafa ny tamberina. Angamba hoy aho Ianao ninia tsy ahalala. Fa ny fo mibaiko; No hany mahalala. Namela taratra ao am-poko Ny nifankahalalako taminao. Toa zary tanam-bokovoko, No namantarako ny endrikao. Fa ilay antsoina hoe “ Fitiavana ” Dia ilay hery mampiray. Aoka ho tsoriko rahavana; Fa ny foko tsy mivoha, ary mbola iray. Ko ho tsiniko ary ve! Raha manda ny hatakao. Raha ny faniriako anie? Ny fitiavna tsy laviko; Fa ny foko tsy ho anao. Izay! Hoy nisento dia nitsangana aho, hamonjy ery an-davarangana. Alina ny andro. Manambara izany fa niova loko ho mainty mivolombatolalaka ny tontolo manodidina. Na dia izany aza, diavolana ny alina. Toa mitsinjo izato foko feno mistery. Ny tontoloko. Iza aho? Ary iza Rapha! Nahoana no toa mifameno ny tantaranay. Nofy! Ako. Iza ireo? Moa misy hifandraisany ve, sa tsia!… Nangina aho, dia nitraka nibanjina ny volana tomaratra. Toa manery ahy hamoaka ny ao am-pony. Zovy hoy aho no toa manaloka ny fiainako. Jereko ifotony saingy, indrisy!…mampanontany tena hoe: “ Nankaiza ny rariny sy ny hitsiny tato anatiko? ”. Naveriko ny lasako, teo amin’ny maha izaho ahy sy izaho nindramina hanambara ny tantarany Rapha. Nofy! Toy ny endrika Domohina marotsadrotsaka, fotsy ahitana pentina mainty manoloana ny orony sy ny sorony. Tsotra sy malefaka. Sariaka feno tsiky. Nifanena tao anaty kisendrasendra, ary nifanaiky hivady. Dimy taona izay no lasa. Tonga ny voalohan-janakay. Nahazo an’i Tatamo izahay mivady. Dimy taona ihany koa no nandaozany anay, dia tonga i Meva. Ary i Ako? Tsy misy fantatro. Toy ny ahoana re e! kanefa na mùisy i Ako na tsy misy. Moa ve afaka mifamatotra amin’ny vady andefimandriko ny tantarany. Nokarohiko tao anaty lalina izany fanontaniana izany dia niroso nanoloana ahy ilay sakaizako. Nobanjininy aho dia namihina ny sandriko izy. Natoriny ahy ka nojereko izay natondrony. Eny! Hoy aho…ao ny fasan’ise sy ny zanako. Ao ihany koa no milevina ny sombin’ny aiko.Misy zavatra tian’ise ambara amiko ve! Niverina tao an-trano aho. Hitako ny malalako, matory am-pilaminana, dia narakotro azy ny bodifotsy marakely teo anilany, dia norohako ny handriny, dia namonjy an-dRapha teo an-davarangana aho. - Andry! Nentim-pahazaran’ny akoho mianakavy io miandrandra loha io ary tsy novozonana izy fa mariky ny fitiavana? Nahoana isika no ambaka ny biby? Nahoana no niniana tsy tsinjovina ny soa toavina maha Malagasy? Eny, “ tsy misy adala tahaka ny akoho, fa nony hariva ny andro, mahalala mody ”, fa isika olombelona kosa: “ Vangavanga manana endrika, sadasada manan-tsoratra ”. Tsy misy ny fandinika miverina fa ny mamerina ny lasa ho amin’ny ratsy no misy. Enjehina ny tia fihavanana ary ny fahamarinana lazaina sy dradradradraina zary hanafenana ny marina, tsy hiseho ary tsy aseho. Ny zaza no heverina ho maila-pitia fa mora manadino. Laingy io…jereo i Nofy, ampitahao amin’i Ako. Mahantra fitiavana ny olona. Tsy misy manam-pitiavana na dia iray aza satria manjaka loatra eto an-tany ny fihatsarambelatsihy. Asa! Anefa…iza amin’ireo naman’ise milaza fa Kristiana no tsy hampianarin’ireny jentilisa..Fahendrena? Mahamenatra! Sao dia tokony izy ireo indray no hitoriana ny Tenin’Andriamanitra. Angamba, tsia! Nahoana no mpitory no toriana! Tsy mampivadika ny lasa ve izany. Fitiavana! Amin’ny lafiny rehetra dia mahafaoka fahotana maro. Niezaka nitia aho saingy nankahalaina. Tadidin’ise. Tsy fantatro nefa inoako fa tsaroako tsaroako tsara raha ny zanaka mpitandrina no nanaraby aho ho ranga sofina. Tao no nihevitra ahy ho toy ny zaza. Fikambanana Kristiana maro no efa niainako, zary lasa fanenjehana ny fahalemeko, famotehana ny maha izaho ahy no nanjaka. Nianatra nitia aho, saingy naely ho fanta-poko fa maditra aho, mahantra, tsy manana fahamatorana. Nafafy tamin’i Ako ny maha tsinotsinona ahy. - Andry! Lazao amin’i Nofy, fa tsy misy tia mihoatra noho ny tiana. Ekeko fa toy ny olon-drehetra aho, kanefa ampy hamotehana ny maha izaho ahy ve ny fahalemeko. Mbola zaza aho nefa efa tia ankizy. Amiko misy toetra tsra hianarana amin’izy ireny. Rehefa tia dia tia. Tsy mahay mihatsaravelatsihy. Ny zaza mantsy toy ny “ Manan-joky miangola, manan-jandry mihanta ”. Angamba ny fiheverina ahy niraiki-po tamin’ireny zaza ireny no fahalemeko. Tiako ny zaza satria tia ahy, mahafantatra ny fahoriako. Iray amin’ireny Tatamo zanak’ise na dia tsy fantatro aza izy. Misy itovizana amin’i Ako ny bika aman’endreny. Maraina ny andro. Tsy tafafoha, ary ny nahazendana dia i Nofy nonanaitra ahy teo an-davarangana. Ny hany reko vao nanomboka ho rsy tory aho: “ Raha manina anay, iny masoandro iny jerena ”. Iza anefa. Tatamo sa i Ako….Ny zanako, ao ambany dongon-tany, vovoka sy taolam-potsy. Nanatona ahy i Nofy. Reraka dia reraka ny fahitany. Nosakambininy aho dia namonjy an’i Meva izahay. - Andry, hoy izy…aoka izay ny lasa fa ny ho avintsika banjinina.Aminao, raha misy tanimboly iray voaasa tsara ka hambolena anana na voninkazo ohatra. Moa ve tsy hiara haniry amin’ny ahitra izy ireo? Ka nahoana ianao rahavako no zary lasa embona sy eritreritra amin’ilay sakaizanao nianjadian’ny herisetran’olombelona? Eny! Tatididio fa raha maniry ny voninkazonao dia mba maniry koa ny ahitra na fahavalo, tsaroanao? Misento mora izay ireny, misaina lalina noho ny olona mampitondra zoim-pangirifiriana tsy nahiana, maro amin’izy ireny no ivadihan’ny namana tsy foy. “ Kaikerin’ny amboa kely tiana ”. Niditra aho dia niverina natory. Kanjo indro i Meva, tamy nihazakazaka nandray ravin-taratasy feno amboaran-tononkalo, efa rovitra ka nanolotra ahy. Saingy efa renoka aho. Nantsoin’i Nofy hisakafo aho, nosafoiko ny lohako, misy faritra maharary ahy. Nanontany azy aho. Nantsoin’i Nofy hisakafo aho, nosafoiko ny lohaka, misy faritra maharary ahy. Nanontany azy aho. - Nofy! Aiza no misy ahy…aiza ny zanako…aiza Tatamo, Rapha, Ako, Mira, Meva. - Hay ve! Hoy aho. Nanatona ahy ny malalako. - Andry! Nidelira ianao, tsy misy avokoa ireo voalazanao. Tsy mbola mpifaninona akory isika. Tsy mbola niteraka akory, ary namana no niheverako anao. Tsy fantatro anefa na nisy teo amin’ny fiainanao i Ako sy Rapha, na koa nanamarika fotsiny ny fiainanao manokana. Tsoriko aminao anefa fa saro-pady ny fahasalamano, ka tokony haraha-maso akaiky. Tsy tokony hifoka sigara intsony ianao. Ny amin’ilay zazavavy kely tsy foinao any Mandritsara dia efa nanoratra ho anao izy. - Meva ve! - Izy indrindra. Tonga ny mpitsabo. Naraha-maso teo ny fahasalamako sy ny mety ho fivoarany. Nambarany tamiko fa raha tsy voatsabo aho dia tsy lavitra ho ahy ny adi-tsaina hotondra aretin-tsaina. Saingy, tsy neken’ny saiko ho diso ny eritreritro, ninoako ho tantara marina izay rehetra voatantarako. Misy Rapha, ilay nizaka ny fahorian’ny tany. Tsy maintsy ho faty izy tahaka tsy maintsy ho faty sy handao ny tany. Any ny toerana hilevenany, hifangaro amin’ny vovoky ny tany, ka tsy ho hita intsony. Mandram-pihavin’ilay Teny Fampanantenana. Hiverina ho nofo indray, ka hiatrika ny fitsaran’ny lanitra Ny azy mantsy efa notsarain’ny tany sy ny mponina ao aminy izy. Niarina aho. Reko tao anaty onjam-peo ilay tononkalony. Tononkalo hitako ny nanoratany azy ary eto amin’ny Hopitaly no nandrenesako ny feony. Sendra nifanojo ny tantarantsika Kanjo, tsy ampy heritaona roa… Dia semban-drahona ny fiainako. Ka ny ho aviko rehetra… Inoako fa voafetra. Na ny ora na fotoana! Ka miangavy anao rahavako, Aza ela… Na tsy tia mba miverena. Sarotra ny hilaza Haneho ankarihary. Izay rehetra tsy voalazako, Ho anao ’zay nambabo ny fitiavako. Fa mety ritra! Ny hetraketrak’olombelona. Ka ny amiko tehetra… Tapitra ka vita. Raha toa ka hizotra Amin’iny làlan’iny. ‘Zato làlanao, Dia hitsio ny dongom-pasako, Ka ilay ravin-draozy fotsy atao, Ho mariky ny fahareseko… F’izay no faniriako. Anio aho mantsy No hamintina ny lasako. Resinao aho, Satria, tsotra sy malefaka. ‘Lay fitiavako mihitsy! No nataonao nihetraketraka. Saingy… Hofoanako ny lasako, Tsy havesatra. Amela anao Tsy hanenjika akory. Amela anao aho Na dia mbola oriory. Raha tadidinao ny lasa, Hiangaviako ianao tsy handalo! Fa ny foko… Tsy hiantso tody fa himalo. Hamaranako ny teniko Meloka aho satria. Mahery loatra ’lay fitia. Jamba tsy nahita… Sady tsy mba nahalala, Fa hay ’ty izaho, Tsy mendrika ho tiavina. Izany rehetra izany no nifamahofaho teo amin’ny fiainako. Nofy! Tovovavy diso fantatro. Nambarany ahy , fa raha vao nivoaka ny hopitaly aho, dia hambarany amiko ny marina rehetra. Aoka anefa tsy ho tezitra na ho kivy ianao, fa ireny rehetra ireny, dia vokatry ny fitiavana sy ny fahatsiarovan-tena tao anatiko. Noho ny sakaizako navela ho tratran’ny ankason’ny ankaso, noho ny tsy fahatsiarovan-tena teo amiko sy ianao. Iza i Ako, ary nahoana no i Nofy no lasa vadiko? Moa tsy efa vadiko ve izy ary raha tsy lasa vadiko izy dia ahoana no hiafaran’ny fiainako. Niaina mety ho velona aho ka hanaradia an’ilay sakaizako? Sa ny fahavelomako no hitsiry ny fahafatesako. Tsy fantatro. Mihalohalo ato an-tsaiko ny tantarany Raphaël. Tena mahantra Fitiavana tokoa. Mbola tsaroako tsara teo am-pijerena ilay masoandro mody, mena midorehitra andalovan’ny andiam-borona ny teniny manao hoe: “ Fiangaviana anefa ny ahy, ary ianao izay manatsotra ny fijerinao te ahita ny tantarako. Avelao hivalona ho tsiambarantelontsika izany ” TAPITRA Tsy azo adika na alaina tahaka, raha tsy nahazoana alalana manokana tamin’ny Tompony.( Ny tantara rehetra dia noforonina ka ialana tsiny raha misy fitoviana fa kisendrasendra izany.) Printy Manokana. F.L.01/2005. Vidiny: Ar. 3000 na 15.000 Fmg Adiresy: niandrifara@yahoo.fr
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/fitiavako-anao
FITIAVAKO ANAO
DADAFARAtolotra
Ny ahy ilay fitiavana tokana monja Ny ahy ilay fitiavana mahazaka fonja Ny ahy ilay fitiavana tsy mety may Ny ahy ilay fitiavana mandrakizay Ny ahy ilay fitiavana tsy azo sakanana Ny ahy ilay fitiavana tia fihavanana Ny ahy ilay fitiavana mahasedra mafy Ny ilay fitia tsy mba mahay mampirafy Ny ahy ilay fitiavana tsy mba malazo Ilay tia kalokalo,sy tia vazovazo Ny ahy ilay fitiavana vonona hikendry Ilay tena malefaka sy tena hendry Ny ahy ilay fitiavana manana jery Ny ahy ilay fitiavana mahatsabo fery Ny ahy ilay fitiavana marina indrindra Ny ahy ilay fitiavana tsy mety hafindra Ireo dia fitiavana avy amin'ny mpahary Mendrika indrindra raha zava-boahary Fitiavana vanona, mahay manamboatra Afaka velona miaina any ankoatra Izany no atao hoe : FITIAVAKO ANAO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/fisarahana
Fisarahana
Nisainana RAFETRARIVO
Iny ianao tsy hita, lasa tsy nifampihaino Nidify sy niserana, Toa lasa nanam-pahataperana Fitia nokoloina, taona maro izay; Levona sy potika, Nodorana ho kila sy may Dia ireo ny zanatsika, tsy hitany izay aleha Sanganehana sy sadasada Hoe ho any amin'ny mama sa ho any amin'ny Dada Fitia tsy nisy fitaka, no nomeko hatramin'izay Efa Leo ve ianao sa te hisintaka No nandao sy nifamitaka. #Nisainana#2024 n1 #Fiarahamonina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/fitiavana
Voady
honenantsoa
Fitiavako anao anie Ry malala! Tsy faniriana Sesilany fa hampiakatra Anao ho andefimandry Fitiavana mahari- po Ka ny fitia tsy ho l Na ho lefiny fotoana Fa hanjohy eo foana Fitiavana tsy makandala Tsy miova loko toy tana Fa izay tena tia no tokam-po Tsy handrarak'ilo mby an-doha Fitiavana marina sy madio Tsy ho ravan'ireo tadio Fa ny Tompo no nampiray Ho tahiny taranakao sy ahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/aza-manamafy-fo
AZA MANAMAFY FO
AORN
Tompo o! aza manamafy fo Ka hamaly ny hadisoana efa vitako hatrizay F’efa fefiky ny ankaso Sady kotsan-dranomaso 'Zany 'zaho tsy mety fay Raha nifona aho omaly Ka nampanantena Anao fa tsy hamerin’ota intsony... Dia toa avo folo heny no nasetriko azy androany Tamy ditra sy lonjony Moa ianao mbola hihaino Zao fangatahako eto izao ka hamela indray ny heloko ? Sa hanampina ny maso ka hijinja tsy ankitsitsy Reo fomba ratsy izay naveriko? Saingy hafa noho ny hafa Ny fihevitrao ny amiko na dia farahidiny aza Tsy toy ny fahitan’ny olona sy ny fomba fitsaràny Faly hanely sy hankalaza Soa fa Mbola teo Ianao Mpamonjy sy mpamindra fo sady Rain’ny fahamarinana Azoko itokiana loatra amin’ny ady izay hataoko Fa tsy mpitsara mitongilana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-lasako
Ny lasako
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ekeko ho sambatra aho Nandre lay teninao Hoe ''tena tiako ianao'' Fa tami-zany angamba Dia mety mbola Jamba Ilay fitiavanao Ka sahinao nivoady Ny tsy hisaraka amiko Mandritra ny androm-piainako Nefa ankehitriny Toa foana ireny lasa Fa sahinao namafa Tsy ao antsainao tsony Ny voaditsika roa Nambara avy amin'ny fo Eny, Izaho angaha no adala Ka tsy nisalasala Nitia anao fahiny. Diso aho tamin'iny, Nanoratra tantara Tami-lay tsy anjara Nefa na izany Tsy neniko ny vita Satria dia sitrapo Fa ny any aoriana kosa Angamba ataoko fady Raha hisy fanindroa. Fa ny hany hanoratako Dia te hisaotra anao Nitia ahy tam-reny Misaotra anao namitaka Misaotra anao nandao Ka namela irery, Handainga aho raha hilaza Fa fifaliana ho ahy Ireo fiarahatsika Satria dia ratra ampo Miharo alahelo No hany mba natolony. Toa nofinofy sisa Ny ora hatsiarovako Ireny lasa ireny Minitra fahanginana Iray minitra ihany No asetriko an'zany. Fa teny kely monja No hafatra apetrako Mba hatsiarovanao Fa efa nisy izaho Nandalo sy niserana Teo amin'ny fiainanao Dia aza atao to' ahy Ny fomba itiavanao Izay olon-tiavinao Tsy mandrakizay voafetra Toy ilay antsika Ka rava vetivety Fa mandrakizay doria No ora ankafizo Ny fitia atolony Eny e! Rediredy ihany Miharo ranomaso No azoko natolotra Fa, tsy diso akory ianao Fa izaho no adala Niatsampitsampy foana. #Vonjisoa_Andjanirina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-fiverenako
Ny FIVERENAKO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Aza asiana fahatsiarovana Aza asiana famantarana Ilay sampana-nisarahana Ilay dia samy hafa zotra Tsy maintsy ifanadinoitsika Fafao ireo diatongo-tsika Sasao ilay tana-nifandray Aleo haniry fandrotrarana Lay fara-toerana nihaonana Mba tsy hisy iray tadidiko Ireny lasatsika ireny Fa ndrao mimpody aneritreritro Ka indro aho hisaina indray Ireny lasatsika ireny Ka hiverina hitondra tody Efa nomaniko hatry ny ela Ka ho avo zato heny Ny tamberina ho anao Nefa tsy ho zakanao 'zay avaliko amin'izany Fa fitia tsy fantatro isa Ho takalon'ny fitiavana Toy ny voa iray nafafy Ary tsiky sy ny hehy Ho takalon'ny hafaliana 'zay nifamahanantsika Hamamiana tsy hita lany No hasetriko ny oroka Nifanaovan-tsika ireny Ary ranomaso lalina Tsy mbola nisy toy izany No avaliko aminao Ho setrin'ireo alaheloko Noho fitaka sy lainga Tamin'ireny lasa ireny Amin'izany ianao no hahatsapa Fa ny taona maro matsy Tsy hahafafa na dia iray Fa vao mainka hitombo kosa Toy ny voa iray nafafy Ireny toetra sy fanahy Natolotrao iainatsika Ary amin'ny ora hiverenako No indro hijinjanao indray Ireny lasa rehetra ireny Fa n'inon'inona ho teneniko Dia tsoriko mazava Fa homaniko sahady Ny valisoa sy valifaty Ary ataovy antsaina fa Tsy zakanao ny fiverenako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-fitiavantsika-roa
NY FITIAVANTSIKA ROA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
FITIAVANTSIKA ROA Malala a! ny fitiavantsika roa efa voafatotra tanteraka anaty teny roa efa tsara petrapetraka mitoeta anaty fo ka tsy afaka misaraka Malala a! ny fitiavantsika mantsy toy ny tady mifamatotra tsy ho tapaky ny antsy hinoako koa fa sarotra ny hisaraka atsy ho atsy noho ity fitiavana efa matotra Malala a! ny fitiavantsika roa Aina moa no fetra? toy izany ihany koa ny mombanao rehetra, tiako hitoetra anaty fo ka iriako tarigetra hoe : ho mandrakizay ny antsika, ry malala tiako indrindra ho ventesiko an-kira ianao no tiako indrindra TIAKO IANAO rrpoeta
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/domelina
DOMELINA
NY Andri-Fara
Domelina Hafahafa tsy toin’ny isan’andro Fa sakodiavatra ny foko ; Manembona ny lasa …, Ny lasa nitamberina nandratra ilay fitiavana ! Nibanjina ilay sary nohalehibeazina Miraikitra amin’ny rindrina…; Mibanjina ahy isa - maraina , Manontany ahy inona no mampiferinaina ? Sary hafafaha indray no tazako Tsy ilay sarinao nahafinaritra ahy . Fa sary miendrika hafa loko ; Toa mandatsa izato foko ! Tafatombina domelina . Tafatoetra sanganehana . Nandray ny penina hanoratra …; Hanoratra tantara iray . Tantara diso fantatrao omalin’ilay nisarahantsika Nizara roa ny làlana , indrisy feno hatsana …, Hatsana nanasaraka ny foko sy ny anao .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitondra-fitoniana
MITONDRA FITONIANA
Fredy Jaofera
MITONDRA FITONIANA Mitondra fitoniana ny fahendrena ao am-po mangina tsy nojerena. Mitondra fitoniana ny lamin-tsaina raha toa faniriana isa-maraina. Mitondra fitoniana ny fahatsorana, na nisy habibiana izay izorana. Mitondra fitoniana ny haravoana mivoy hamamiana am-pinoana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taniezaka/mila
MILA
Taniezaka
Mila Mila ianao mianjera , mila ianao marary mila ianao mahafantatra ny fandrika eto an-tany Misy lalan-dratsy tsy maintsy mba hizorana dia mila mahatakatra paik'ady ialàna olana fa ny fiainana tsy mora Aza zatrazatra ny mihinana matsora fa mbà homan-kanina mitelina mafaitra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/ny-fiainako
Ny Fiainako
Rabarison Roberto Stephan
« Ny Fiainako » Eny hanio aho iteny, hanio aho ilaza Hatrizay ahy tsy niteny, tsy niloa-bava Fa nokoboniko foana tato anaty Ireo alahelo sy adin-tsaina fa zao efa tsy tanty Ekeko tena mafy ilay hoe miaina Fa isan’andro izao ve dia adisaina Tsy misy masoandro mihiratra mihitsy Lasa maloka foana ilay endriko mitsiky Niezaka ny ho mafy foana Fa ny ady ity tsy mety vita mandava-taona Niezaka niady , tsy nanaiky ho resy Fa izao mandady , ny heriko mihalefy Niady irery foana tsy nisy mpanohana Ankehitriny mahare marary fa tafitohana Tafitohana aho ka potraka amin’ny tany Dia nahatrapa hoe ny fahoriana kay tsy lany Hankehitriny niandrandra an’ny lanitra Tsy mety kivy miady satry ao Andriamanitra Mbola eo ianao ry tompo itantana ny diako Ny alaheloko ho ariako fa enao no hifikirako Dia foana hatreo ny alahelo sy ny tomany Fa fiainana vaovao ny ahy manoboka androany Tsy isento intsony koa aho ary hitsinjo ny ho avy Satry ny tena kofoboay fa tsy hoe vehivavy Ilay diam-peniko ✍️
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mitia-ilay-tsy-haiko
MITIA ILAY TSY HAIKO
AORN
Maro tena maro ny miravaka sy raitra Saingy tsy nampihontsona ty foko adaladala Fa ny endrikao no tena kanto sy nanaitra Ka ny saiko mihitsy no efa babo tsy an-kisala Tsy hitako hazavaina fa dia tiako fotsiny ihany Na tsy fantatro aza ny momba anao rehetra Ny saiko te handalina, ny fo tsy manontany Fa dia te hisisika hitia tsy manam-petra Fa dia iza loatra moa ianao ry ilay tiaviko No mambabo anaty tsy ahitako fitoniana Ireo naniry hotiavina no efa ela no nolaviko Fa ianao tsy haiko mampitondra fahoriana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/ho-ani
Ho an'i
Tahirintsoa
Nanjary nanahirana ny nandrindrana ny hiran' ny foko te hanoroka ny endrikao nandalo ... nanakatra ny Teny, hanandrana hikalo saingy avo loatra ny Antsa te hitroatra K'injao ery mangina mianoka ny tiana ... Tokoa ve mbola hamorona hihoatra ny Tanteraka raha sendra anao fanahy tinendry sy nateraka ho Hira efa mendrika sy Tononkalo-endrika?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taniezaka/tsinjoviko
TSINJOVIKO
Taniezaka
Iny lalanao iny... tsofin-drano mba ho tody eto aho hankahery mba handroso foana ianao Dia aza miherikerika mijery ahy eto intsony fa 'ndehana dia sambara amin'ny fiainana vaovao... tsy hitoerana alahelo Mba satriko ho reko izany hafalianao be Na ilay sarinao aza ny hanambara izany Tiako mba tsy hanenina... any aoriana ise F'izaho aza no tokony mba latsaka tomany, Tsy nahafafa fahatsiarovana Irariako ho tomombana ny zavatra kasaina Irariako hisy hitantana hatreny lavitra eny F'izaho raha eto ihany dia aza iasàna saina Fotsiny no ilaiko dia ianao mitsiky kely raha sendra mifanena dia mitomboa harena... amin'ny ezaka atao na fanahy na fahalalana samy ho feno tsisy hipiaka fa inoako ho sahirana raha teto foana ianao Sao koa dia ho tsiniko ny misy tamintsika, Raha toa teto no tsy ampy Ny eto mantsy akia mbola ady be vao tafa ah! Tsy mbola manantena na miasa be ny saina Soa ianao koa niala fa mety tsy hahazaka ny tolona ataoko raha manao vy very ny aina vao tena hoe mba mihinana Ka iny lalanao iny ...tsofin-drano mba ho tody Eto aho hankahery mba handroso foana ianao Dia aza miherikerika mijery ahy eto intsony fa 'ndehana dia sambara amin' ny fiainana vaovao... Ho lavitra ahy indrindra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/malahelo-anao
MALAHELO ANAO
DADAFARAtolotra
Te-hanantona anao any, Te-hizara teny mamy dia hanovo fahasambarana Isaky ny varavarana Izay sokafanao hidirako ! Fafao ny ranomaso an-tavako Asio sakafo anaty vavako Fa mbola noana fifaliana Satria halavitr'olon-tina Ka dia malahelo anao ! Avia hiondana ny tratrako Avia hanitrana ny ratrako Avia fa miandry anao ny saina Ho atao mpikolo zaridaina Hampiriharia antsika ! Rehefa foana ny elanelana Ny fafintsika roa hamelana Handrobona tsy mety lany Mahenika ny vazan-tany F'isika roa mpifakatia !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/halalina
HALALINA
Fredy Jaofera
HALALINA N'inona n'inona ambolena, na ho mora na ho mazana dia efa toepanahy miraikitra ; ny halalin'ilay fanetren-tena no haavon'ny fahombiazana amin'ny asa aman'andraikitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/ny-tanjona
Ny TANJONA
Rabarison Roberto Stephan
NY TANJONA Ny tanjona zandry,tsy mora ny maka azy Mila misaina,mila ketrika ary koa arôzazy Ny tanjona tsy mora , fa mila miady mafy Tsy mila mifezaka , mila elah miafy Ny mandany vola , tonga dia hajanony Havalomy tsara , ary koa mba angony Hitsindrovan'ialahy ny ampitso sy ho avy rehetra Ny datin'andronao mantsy mbola tsy voafetra Ny fiainana tsy mora , izay no tadidio Dia ilay naman-dratsy rehetra tonga dia fadio Ataovy fantatrin'ny rehetra fa elah misy tanjona Dia ny ho tafita ny tarigetra, izay no mba hanatra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofo-jos%C3%A9/avy-aiza-ilay-kalak
Avy aiza ilay kalak
Solofo José
(Kalak = Kalachnikov = basy niaka-daza tato ho ato) ___________________________ Mpandroba dimy lahy Nanafika tatsy Ringana ny entana Maty ilay rangahy Fa voadaroka kalak… Kalak, kalak,kalak-n’iza moa? Mpanafika enin-dahy Nangalatra tary Nitsofoka tan-trano Nampiasa herisetra Nametaveta ampela Tsy afaka nanohitra Notsenain’ny kalak… Kalak, kalak, kalak-n’iza re? Jiolahy folo lahy Nanakana lalana Nijanona ny fiara Tsy nahita itsoriahana Kalak roa nipoitra Narangan-dry zalahy… Kalak, kalak, kalak taiza angaha? Bandy saron-tava Nirohotra maromaro Nandraoka ireo firavaka Aderadera lava Tselatra, indro teo Kalak mampangovitra An-tanan-dry zalahy Nampangina ity karana Moanan’ny kalak… Kalak, kalak, kalak-n’iza koa? Injato inarivo Hita an-gazety Fa dahalo marobe Nandravarava teto Voalaza fa nivimbina Kalak avy any an-danitra Nilatsaka toa mana Ny tompony toa tsy hita Tsy azonao fonjaina. Raha hihanaka kalak Raha halalaka kalak Raha hirefotra kalak Hifanamontsana ny Gasy IZAY VE NO TANJONTSIKA?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tsiky-kely
Tsiky kely
lain's rakoto
Ny tsikinao dia ampy ahy Tsiky manambara hasambarana Mitory fitia Mitory hafaliana Mizara hamamiana Ny tsikinao dia ampy ahy Mampahery mampitraka Ny tsikinao dia ampy ahy Ilay hery vao ho ahy Isa maraina isan'ora Isa tsegondra isa minitra Tsiky kely dia efa ampy Manambara ny ao am_po
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tangisan-yang-menyakitkan
Tangisan yang menyakitkan
NY Andri-Fara
Tangisan yang menyakitkan Hatiku, kemana saja kamu dan kemana kamu akan pergi? Bukankah itu jauh darimu, Tapi malam itu diharapkan... Saya bukan lagi seorang teman. Saya tidak berani mengatakan atau memberi tahu Harapanku, hai kehidupan yang menangis! Sebuah profesi yang saya tidak tahu lagi…; Sulit untuk merindukan seseorang - untuk tidak mencintai, Sayang sekali untuk siapa? Bayangan cintaku. Akan ada tempat untuk mengumumkan berharap dan katakan Masa lalu tidak dilupakan…; Mungkin bukan untukku Menurutku. Apakah Anda orang yang saya cintai? Bayangan hati? Sempurna untuknya. Di awan…; Apa itu: Kejahatan cinta?! Dan kau? Pembukaan hatiku, Tunjukkan cinta yang ditolak…; Pecinta berharap itu akan menjadi bunga malam.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/apakah-kamu-ingat
Apakah kamu ingat?
NY Andri-Fara
Apakah kamu ingat? Kita bersama, seperti itu. Apakah kamu ingat? Aku ingat kata-katamu…; Tunjukkan cinta, dituduh oleh hati! Di sebelah saya… Saya tidak tahu atau tidak tahu. Saya tidak tahu apakah Anda ingat; Bagaimana kami mengambil jalan ini. Kata-kata Anda menyentuh hati saya; dengan berani menyatakan! Angola untuk kerabat. Jadi saya lebih suka menggigitnya, mengekspresikan diri Tatapanku padamu... membawa kembali kenangan. Dua tahun yang lalu! Apakah ini takdir kita…; Dengarkan bisikan kesedihanku.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanapahan-kevitra
FANAPAHAN-KEVITRA
Fredy Jaofera
FANAPAHAN-KEVITRA Na dia mirehitra jirom-pandresena izay iankinana, fanapahan-kevitra feno fahendrena ny fanginana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/antsa-nandratra
ANTSA NANDRATRA
NY Andri-Fara
Antsa nandratra Ry foko nankaiza , ary ho aiza ? Angaha tsy lavitra anao , Fa ny alina mba nantenaina… Efa tsy namana indro nalaina . Tsy sahiko ambara na tantaraina Ry fanantenako…namelona ny antsa ! Asa tsy fantatro intsony …; Sahirana nanembona olon - tsy tia , Ontsa ho an’iza …; Ny aloky ny fitiavako . Hisy any ho any hanambara Hanantena ka hilaza Ny lasa indray tsy fanadino…; Tsy mba ho ahy angamba , Araka ny fiheverako . Aminao ve r’ilay notiavako Ny Aloky ny fo ? Tanteraka ho azy . Eny an - tsefatsefan-drahona…; Ny atao hoe : Heloky ny tia ?! Ahoana ny hevitrao ? Ilay famborahako ny ato am-poko, Maneho fitiavana nolavina…; Antenain’ny tia ho voninkazon’ny alina .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ratra-lalina
RATRA LALINA
Fredy Jaofera
RATRA LALINA Ny sedra tsy mety afindra fa entina andro aman'alina, na tiana aza hitsoaka ; ny olona itokiana indrindra no miteraka ny ratra lalina ao am-po tsy miloaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka-tohiny
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA : Tohiny
NY Andri-Fara
tohiny... Avy amin'ny Vondrona Manankasintsara, izay navoakan'Andriamatoa Nomenjanahary Rado fantatra amin'ny solon'anarana hoe Rado Ampinga dia toy izao : Manankasina → Malagasy ; Manankasintsara → Madagasikara ; Maro be tsy tambo isaina ny teny toy izany, fa raha ny hoe : Malagasy , dia azo heverina fa fiovana avy amin'ny Manankasy. Dia toy izany ihany koa ny hoe Madagasikara → Manankasintsara. Ny teny hoe Hasina aloha dia Hasy ihany, araka ny tenim-paritra. Ny iraisan’ny rehetra na ny mpanjanaka izany na ny voazanaka dia eo amin’ny lafiny filalaovana sy fanovàna teny, fiteny, dia ny fandikana na fampifandraisana ny feo, mba hifandraika amin’ny tenin-drazany na ny calque phonétique . Raha tsy hilaza afa - tsy ny : screw driver → sokodrevo = tournevis . Amin’io teny Sokodrevo io anefa dia tsy very mihintsy ireo hevitra roa: sokotra + revo, izay marihina fa ( calque phonétique ) avy amin'ny teny Anglisy. Dia amin’ny alalan’izany rehetra izany no vao maika nanamafy ny fahaverezan’ny hevitra fototra dia ny teny Manankasy izany. Satria raha zohina ireo rehetra ireo dia ( calque phonétique ) avy amin’ireo mpanjanaka ary nohagasiana indray avy eo ara-pomba fitenenana. Manankasy dia noraisin’ny mpanjanaka ho Mal gache ary nohagasiana ho malagasy. Azo resahana daholo ny hoe Madagascarois , Madeigascar , Madaghosh, Madegasy sy Malakh + gaz sns… saingy izao ireto misy ohatra vitsivitsy mba afahantsika mandinika sy misaintsaina : Any aoriana any dia mety hilaza ireo taranaky Manankasintsara fa avy amin’ny teny Anglisy ireo voambolana ireo (sokotra, revo, mailaka, anterina, eto, lefitra, raitra …). Kanefa dia tenintsika Manankasina mangarahara daholo no nampiasaina mba ampifandraika ara-keviny. Araka ny volazan'i L. Ramaroson tao amin'ny Teto an'ivon'ny Riaka , dia efa nisy olona nonina ihany teto Madagasikara tany amin'ny Roarivo taona talohan'i Jesoa Kristy , tany ho any, saingy mbola vitsy dia vitsy ny teto tamin'izany. Ny Vazimba no voalaza fa nonina teto amintsika voalohany indrindra, dia ny taranak'ireo olona ireo izany no tondroina amin'io anarana io voalohany, fa voatondro ho Vazimba koa ireo Aziatika na Indonezianina efa nanomboka niorim-ponenana teto Madagasikara hatramin'ny taonjato voalohany taorian'i Jesoa Kristy. Saingy nandritry ny taonjato faha-12 ka hatramin'ny faha-16 , vao tena nisy fifindra-monina rodobe, ary notondroina ho Vazimba ireo olona efa teo taloha. Tsy azo hadinoina koa anefa fa efa nivezivezy tamin'ny morontsiraka ny Arabo , hatramin'ny taonjato faha-8 taorian'i Jesoa Kristy. Tsy dia misy zavatra fantatra firy momba ireo Vazimba hatramin'izao, fa ny antsoin'ny olona ho vazimba koa dia ireo milevina amin’ny fasana efa tsy misy mpamoha sy tsy misy mpahatsiaro intsony. Koa , aoka ho anjaran'ireo arkeologa ny manamarina izany raha misy sahy mamoha ireny fasana ireny , ka hanao fanamarinana siantifika, fa tsy maintsy maro ny zavatra miara-milevina amin'izy ireo ka hanaporofo ny dingana tratran'izy ireo teo amin'ny haitao sy ny fomba amam-panao, izay mety ho re sy fantatra tokoa eo amin'ireo tantaran-drazana toy ny angano na tantara hafa nifandovana isam-paritra. Ny Taimbalimbaly no voalaza ho tompon'ny tany hoy ny tantara, ary fiompiana akoho sy voly saonjo ary fihazana mbamin'ny jono no foto-pivelomany, nivelona tamin'ny tavy kosa ireo olona tonga taty afara , koa izany no nahafongotra ny ala teto amintsika . Hatramin'ny taonjato voalohany taorian’i Jesoa Kristy , dia tsy nazava loatra ny tena tantaran'i Madagasikara. Tsy azo hadinoina fa ao amin’ny alan’ny Tsitongambarika ( Andohaela ) , any Faradofay any toa misy karazan’olon - dia atao hoe : Omba sa ireo ihany no Mikea . Tsisy nahitana taratra fa nisy karazan'olombelona niaina talohan'io fotoana io, ka nahatonga ny fieritreretana fa tsy nanana fiandohan-tantara ity Nosy ity. P. Laforgue , izay mpandalina tantara dia nanambara fa ; toe-javatra hafa kely izany, nefa dia izay no zava-misy . Na ny nanazavana ny fiavian'ireo sy ny fotoana tena nipoirany aza dia tsy voalaza mazava. Maro ny soso-kevitra naroso, isan'izany ny an'i G. Grandidier, mpikaroka, nilazana fa ny Malagasy dia Indo-melaniziana, nisy nifandraisany tamin'ny olona avy tao Papoazia. Ny Governora Deschamps , kosa dia nihevitra fa nisy ireo tatsambo izay niatrika ny Ranomasimbe Indiana , ka izany no niheverany fa ny indoneziana dia niala avy tany India sy ny sisin'i Afrika izay toerana nakan'izy ireo ny mainty hoditra. Rehefa izany dia nitohy tamin'ny sisin'i Afrika ny fifanakalozana mandra-pahatongan'ny fotoana nampatanjaka ny Arabo teo amin'ny fifamoivoizana an-dranomasina. Araka ny hevitr'i Deschamps noho izany, ny malagasy hatramin'ny fahagola dia fifangaroan'ny indoneziana sy afrikana, na eo amin'ny fiteniny na eo amin'ny fomba amam-panao, ary niampy tsikelikely ireo maleziana, Hindò, Arabo, ary Eoropeana. Maro ireo tantsambo nandalo ny morontsirak'i Madagasikara; tao ny Arabo, i Marco Polo, i Vasco de Gama, ireo Portogey Pereira sy d'Acunha, de Gonneville,... fa tsy voalaza mazava na tena niantsona tamin'ny tany malagasy izy ireo na tsia.Ny fikarohana tsy miorona dia miteraka savorovorom-pandalinana ho an’ny mpianatra , indrindra fa ny mpikaroka . Voaresaka mantsy fa ny vahiny , izay nanoratra ny mahakasika ny Gasy , dia natao tandrametaka avokoa , satria nafenina taminy ny maha izy azy sy ny maha Malagasy azy . [ Noheverina ho toy ny tsy misy kanefa , rehefa nosavasavaina ny raviny dia hita ihany ny fototra nitomboany sy naniriany . Niainga ho Gasy ary notovanana Mala ilay Gasy . Ny Mala dia midika fahendrena lalina tsy lany tovozina . Gasy dia maneho ambo-po ambony feno hevi-dalina mirakitra soatoavina tsy hay takarina .*****] 1. 3 Ny Mponina : Ny hany fantatra sy azo ambara dia efa nisy teto Madagasikara , matoa nisy izao taranaka fara aman-dimby izao. Koa andeha ary ho fantarintsika izy ireo Sary mampiseho ny Firenena nivoaka tamin’io « Nusantara » 1.3.1 Ny Tompon-tany Ny lovan-tsofina Malagasy no nanambara ny vazimba [1] ho voalohany teto Madagasikara . Ny angano aza moa dia naneho an-dRapeto sy Rasoalao ’mbamin-dry Darafify, ity farany ity anefa dia voalaza fa anaram-poko iray atsy Afrika, kanefa araka ny hevitry ny mpikaroka dia olona zeny, mainty botabota sy fonentanentana izy ireo . Tsy izany anefa no mitranga tamin’ireny angano ireny, fa olona lavabe sy ranjanana ary matanjaka . Ny tena marina anefa na ny manakaikaiky ny marina dia olon-dia ihany ireo voalohany teto. Ny 90 % ny tany teto mantsy dia rakotr’ala avokoa ary nitoetra sy niaina tamin’izany ny vazimba. [1] Ambany toetra sy baribariana, biby fiainana. Ny ankamaroan’ny foko 18 , dia naneho ny isam-pokony ho nivoaka tamin’izany. Toy ny Taimbalimbaly ohatra, izay niavian’ny foko Betsileo. Amin’ny ankapobeny anefa dia ireny no heverina ho olon’ny fahagola, fa ny taty aoriana no nambara fa Ntaolo. Diniho manokana ny fiainan-dry Mikea any atsimo. Talohan’ny Taon-jato faha 16, dia fantatra araka ny fanambaran’ny ao Marovoay - Boeny, eo amin’ny PK12, fa ny Kibosy izay razamben’izy ireo no voalohany teto Madagasikara. Ahitana azy ireo Nosy nanodidina ny Firenena sy akaiky tokoa antsika, toy ny : Nosy Manga, Nosy Baly, Nosy Makamba, Nosy Kingany, Nosy Ambariotelo, Nosy Mahiloha, Nosy Langany ary Mahajanga. Nifanerasera tamin’ireo Firenena Manodidina azy any ivelan’ny ranomasina izy ireo, tamin’ny alalan’ny lakana na lakam-bezo entin’ny rivotra. Tao Afrika: ( Sofala, Kilimany, Kilioà, Zanzibara, Mombasa, Molindi, Mogadotso, Monomotora, Zimbaboe, Pempa, Mafia, Lamo, Kilifi, Pate, Kismaio, Daraoa.) Tao Persia: ( Ormozy, Shirazy, Mansira, Alexandria.) Tao Arabia: ( Mosikaty, Lemena, Hadramaoty: Omany.) Tao India: ( Dio, Gojaraty, Malabary, Shina.) Ireo Kibosy ireo dia nanana ny taranany atao hoe : Betaolo . Inona no azonao tsoahina raha hiverenana ny taon-jato faha-14, tany ho any , fony mbola rakotr’ala ny Nosintsika ? Ohatra velona lazaiko amintsika ity . Mahaditra. Fokontany iray midadasika sy lehibe , ao anatin’ny Firaisam-pokontan’i Mahaditra ihany ao amin’ny Faritanin’ny Fianarantsoa . Somary avoavo toerana. Mahatsinjo an’ilay tendrombohitra manan-tantara. Feno vondrona maniry sy rakotr’ala, izay nahavery anarana azy ho Ambondrombe.[2] Niasa tamin’iny faritra iny izahay ary ny any ; dia milaza fa mbola misy olon-dia any, mitafy tapaka sy mivelona ao an’ala ao, kanefa lazaina fa fonenan’ireo avelon’ny maty..., mifangaro ny tantara , kanefa dia niaina sy nahita maso ny zava-nitranga izahay. Olona miresaka sy mifanerasera kanefa tsy hitanao maso akory ; misy maka ny zavatra apetraka eo an-dalana kanefa tsy misy olona .... Fitondrana entana namidy fahizay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/banjino
BANJINO
Fredy Jaofera
BANJINO Banjino re ny Lanitra rehefa miainam-panahiana sy tsy azo izay tadiaviana ; amin'Andriamanitra no fangataham-panampiana rehefa sarotra ny diavina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kaboanta-le-hendr/an-iza
An' Iza ?
KABOANTA Le-Hendr
An' iza raha ny Marina ny nosy izay diavina? Fa izay mitsidika eto, milaza tompo-toerana na iza izy avy aiza... An' iza ireto fomba kilentikao ho tromba hoe fampandrosoana? No kisary izay miseho, tarafina tsy mendrika... An' iza ito teny fiborediko ombieny fa toa tsy an-drazako? No hitoloranao tena fahamarinana ny gasy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/enim-bolana
ENIM-BOLANA
AORN
Enim-bolana am'zao no nahaterahanao ry aiko Tebiteby, taintaina no nanemitra ny saiko Zato reninao koa, nanano sarotra aok’izany Fa tsy mora ny namoaka ilay hany tokany aman-tany Fa tsaroako tam’zay, raha nisasaka ny volana Sady manantsasa-taona no nipetraka ny olana Tsy iandrasana herinandro fa tsy maintsy atao anio Teo vao nihodina ny saiko, nirimorimo toa tadio Vao maraina dia tsy maintsy, nampidirina efitrano I Neny sy ny adin-tsainy, fa hateraka ny rano Indreo fa nihaodihaody teo, mpampiteraka amam-polony Toa somebiseby ihany fa hanatrika ny tolony Dia nanomboka ny ady, niakatra ny maripana Nitolomana i Neny fa nanomboka tsy tana Sarotsarotra ny sedra, nefa toa mandeha ny ora Ka tsy maintsy nila vonjy niantso an’I Profesora Tamy zay dia tena tsapa, fa valalanina i neny Toa nivalo-mainty ny endriny sady saraka aman-teny Soa fa nisy olon-kafa nitrotro sy nitondra am-bavaka Nahavita nitalaho tamy Tompo tsy manavaka Ora vitsivitsy avy eo, dia niverina ny ainy Tsy tsaroany izay niseho, fa fanimpanina ny sainy Indro tazany avy lavitra, ilay menavava fa atsongoloka Nila fameloman’aina, ka felahana sy afolaka Dia injay nikiakiaka, sady rafitra tomany Ilay mpantsaka kelinay, zay nisantatra ny tany Hafaliana sesehena, fa velon’aina soa amantsara Satria ny Tompo no nambomba ka namaritra ny anjara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsodrano
TSODRANO
Fredy Jaofera
TSODRANO Ny reny no tsodrano tsy azo soloina mandrakizay tsy hidirana angano ka azo antsoina vao kivy izay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kaboanta-le-hendr/jab%C3%A8daka
JABÈDAKA
KABOANTA Le-Hendr
Amiako aomby babanà izy koà anà mañeky iaraka aminahy Fö mandiniha tsarabeky... Antsika koà traño araika? Anö rö ho voky Ho azo moafo vö? Vola arö misy Jirôfonay mbö-bàhiny tsy laninà akatokato… Lambahoany ndraiky lamasiny? Anö tsy añiry Kay aza mitsentseñy Sandraña anay misengy.... Raha ny teña mariña Jabèdaka anahy izy iñy Sö anö matoky mitavandra raha tsy hoisy efa volañiko lasiteky... Zaho tô 'fa manambady Adàmaty koà ampirafy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ventso-ny-nofiko-thierry/rehefa-maty-aho
Rehefa maty aho...
Ventso ny nofiko (Thierry)
" † REHEFA MATY AHO...† " Rehefa maty aho dia... Aza arotsaka amiko ny ranomaso aza atete na iray goty aza f'efa sambatra aho lavitry ny akaso Rehefa maty aho dia... Aza tanisaina ireo vitako taloha aza tanisaina fa tsy efako tsony f'izaho ande hatory ka tsy hifoha Rehefa maty aho dia... Aza misaina ny amiko intsony Aza malahelo ahy koa F'efa lany ny pejiko ka avalony Rehefa maty aho.. Aza atao fantatra ny amiko Tantara ihany sisa ireny Fa ny andro nomena ahy efa laniko Rehefa maty aho... Aza hanateram-boninkazo Fa amboleo eo antokotany Koloy tsara,aza avela halazo Rehefa miala eto aho... Tsena'ireo anjely any ankoatra Izy ireo hametraka ahy Eo amin'ilay toerana tsara voatra Izao no mba afatra avelako Tiavo izy raha mbola velona Sao lahy lasa izy vao anenina Ny rano raraka tsy azo averina RANDRIAMBOLONA Patrick Thierry 05/02/24
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ventso-ny-nofiko-thierry/may-aho
May aho....
Ventso ny nofiko (Thierry)
❣️ May aho ❣️ Mandoro mahamay tsy tanty ilay afo mivaivay avy ao anaty Mandoro mahamay tsy voafefy Rehefa izy mirehitra diso refy Hafana no tadiavina sy hilaina fa tsy afo mivaivay sy migaina Afo-mpitiavana natao hamelona fa tsy afo ampody ho lavenona Hitady ny mamy ho atelina fa tsy ngidy miaro-nenina fahasambarana no hiriana Fa tsy hoe hisedra fijaliana Fitiavana tsy misy fiafarany no nantenaiko tamin'izany ankehitriny nanjary may sy kila tsy tazana etsy na eroa f'efa dila May aho fa nilalao afo an-tanana Very fa tojo fiviliana sy sapanana May aho ka amin'iza no hitaraina Adala aho ka mbola tsy tonga saina May aho,mitsirepirepy lasamborona Kila firehitra hany ka may vita sorona Lavo aho, midaraboka amin'ny tany May aho, maty aho, zay ny fiafarany RANDRIAMBOLOLONA Patrick Thierry
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jacobson/manga-s%C3%B4mas%C3%B4ma
MANGA SÔMASÔMA
Jacobson
Fikambanan-dehilahy iray fiangonana No itsirian'ny fialonana Fiavonana Fa samy te homana Ny iray tanàna koa ity efa miomana Miandry azy hivoaka rehefa mitatao vovonana Satria itangoronana Ka zary lasa toeram-piantsonana Fotoana ohatran'izao mantsy iny mandalo eto foana Iny tokoa ary fa tamy avy eny ambony havoana Tao mitsako siligôma Fa hisarika avy hatrany an'ireto olona efa noana Manao ahoana! Hoy izy ry legôna Ka na ny avy ao aoriana na ny manoloana Samy ngôma Te hisôma An'ireo manga sômasôma Manga eto mora Ramse a! Sady mampitelin-drora no manaitra ny be nangy Fa na ozatra efa lozitra miverina ho dangy >> Saingy Tsy sangy Tsy hoe tsy misy vangy Hoentina mamangy Ny mpamatsy re Fa sendra mpivahiny lany vatsy e! Lasa mangataka tsy satsy Ka na ny aroa sy ny atsy Noheveriny ho olon-dratsy Mantsy Satria tsisy majy Ny ady varotra tsy kajy Fa izay tombanany no fetran'ny fatrany Ka manam-pahefana no manara-po izay zakany Miantohoka hamamiana hatramin'ny tena fakany Firy ny voaratrany Tsisy antsany Velona hataka fa tsy alatsany Miady varotra an'izay tratrany Fa eee, mba te hitsapa izato manga trotroiny eny an-tratrany Dia sanatria ve faniriana indray mipika ? Aleo mihintsy aloha tsy mbola vita Nitady fikafika Hanangom-bola izay nivika Niandry ny hiseranany eto indray handrangitra an'i Lita Nigadona ilay ora sy minitra Marary angamba izay fa lasa tsy hitahita Ilay zokiny no tazana nitondra ilay sobika Fa tsy toa azy soa bika a! Izy aloha sariaka Raha adika Saingy hoe masiaka Manalika Tsy mba kitakita Sady malaindaina menatra hiampita Tafiditra ny havoana avy eny amin'ny fidirana Nianjaika miramirana Tsy fantatra izay hoentiny fa lasa fifandirana Jerena manahirana Somary nisopirana Tsy nahita mangirana Nanantona eo anilany 'Ndrao fa misy fofona mahakirana Iny fa nahilany Hay voasarimakirana ! Ka samy niala ilany Ny an-daniny sy an-kilany Hatramin'ny manam-pahefana mpanao sori-bilana Tsy arakaraky ny fofony Raha ny endrika sy lokony Ny azy koa tsy zotony No mandeha amin'ny tokony Ilay manga sômasôman-jandriny no tokony Hiangavina an-jokiny Raha mbola tsisy tompony Faingana hoe sitràna, sao masaka eny am-potony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kaboanta-le-hendr/vazimba-hoe
VAZIMBA HOE
KABOANTA Le-Hendr
Tarazona vazimba... Ilay olona tsy ambo fa iva, sampona, toa biby, lavalava volo; Mampatahotra, mampihorohoro rajako kely fisa-doha mari-tampona, toa tsy vatana, fa fanahy mamoa-tsampona Eny anelakela-bato, eny amoromoron-drano, manadala ny saina, manafotsy izay tsy mamo Matoatoa, fambara laza antambo Vazimba maty, fivavak'ireo tsy manan-kambo ? Tsia! Ny vazimba ry zareo, aoka hazava tsara fa mponina taloha teto madagasikara, gasy fohifohy, mioditra zarazara, olon'ny fahendrena, olon'ny tantara olon'ny fahalalana, mana-tsaina lalina olon'ny fihavanana, mpikatsa-java marina ...... Ny vazimba ry zareo, ataovy an-tsaina: raha hendrika sy bika no lazaina tena ananany, dia ananany, Fa indrisy! ny taranany, mihalefy, milefy fa ny vahiny iretsy no nanova ny anarany ka voafefy ny tananany Ny taranaka vazimba, any maintirano mankeny ianao, raha te-hahita fa tsy nofy na angano ny fisian'ny vazimba Ka aoka ianao tsy hanimbazimba, ny fototra niavina Fa ny razantsika....? VAZIMBA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-poeta
NY POETA?
AORN
Olona toy ny olona fahitanao ihany Saingy manam-bitana nahazo saina miavaka Afaka manoratra ny sento sy tomany Na 'reo trangam-piainana na koa reo tonom-bavaka Olona miaina, toy ny olona rehetra Manana ny toetra sy izay fanirian'ny fo fa ny sainy kosa tsy mijanona ho voafetra afaka miantsampy lavidavitra kokoa Olona mitia, sady mety ho malahelo Manana halemena sy kilema toa anao Saingy anaty soratra izy no mamerovero Ka manjary ho kanto 'lay angola mitalaho Olona mitsiky rehefa tojo ny hafaliana Olona misento raha sendra ny manjo fa ny tonokalo no ataony mahaliana Mampanembonambona ny saina sy ny fo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka
MADAGASIKARA FAHAGOLA SY FAHA MPANJAKA
NY Andri-Fara
Teny Fanolorana Teraka tao amina tanàna iray antsoina hoe : Sahamaro Andrainjato izy . Fokontany iray ao anatin’ny Fivondronam-pokontany Fianarantsoa II . Ny Rahavavin-dreniny ,vavimatoa no mitoetra sy nanorim-ponenana tany. Ny rainy dia : Ravelontsalama Andrianarivo Guy Richard ; Ravaoarisoa Marie Marine kosa no reny , izay nahitany masoandro. Betsileo avy any Ambositra ry zareo . Folo mianadahy izy ireo , no naterak’ireo ray aman-dreniny , fa saingy efa nandao ny tany kosa ny roavavy , raha vao amam-bolana vitsy monja ny iray , ary efa notezaina roa taona kosa ilay faharoa. Ankehitriny dia efatra vavy sy efatra mirahalahy izy ireo, izany hoe : Valo mianadahy izany. Ny rainy dia Mpiasam-panjaka ambony satria izy no nitana ny toeran’ny « Chef de Service à la Direction de la Valoritation des resources Humaines » . Tamin’ny taona 1993 tao Ambohijatovo ; ary efa nosaloran’ny fitondram-panjakana ny « Ordre National Malagasy sy ny Chevalier de L’Ordre National Malagasy » ihany koa. « Ingenieur Plannificateur » izy . Ny reniny indray kosa dia « Adjointe de Service Vétérinaire Stagiere » tao amin’ny Service Vétérinaire Ampandrianomby . Raha ny lafiny Finoana indray kosa dia Katolika ny reniny ary Protestanta ny rainy. Nandia fianarana ihany ny tenany saingy fanohizam-pahalalana fotsiny izany noho ny antony ara-piainana ve ! sa noho ny hetraketraky ny fiainana ihany koa ! sa …, ny hany azo ambara dia nihoitra izy ary tsy natao hifaninana amin’ireo nandranto fahaizana ambony fa izay kely mba nangoniny tao am-pony sy tao an-tsainy , no namboariny ho amboara sy tantara . Nandalo ny ambarantonga Fototra voalohany izy ny taona 1972 ka ny Garabola tao Ambohitrakely ; no nisantarany A.B.D n’ ny fampianarana ; avy eo izy ny taona 1973 dia ny EPP Ankadivato , izay nondimbiasan’ny EPP Avaradoha . Ny Fanabezana Fototra faharoa kosa dia ny College Radama I , Anjanahary sy ny I.E.P Avarandoha . Ny Ambaratonga Fahatelo kosa dia ny Lapan’ny Tovolahy Andohalo sy ny CNTEMAD , Sampana lalàna , tetsy Ankaditapaka, saingy nafoiny izany rehefa tafiditra ho Mpiomana ho Mpitandrina , tao amin’ny College Theologique Mandritsara izy ny taona 1999 . Voatery nandao izany izy , na ny marimarina kokoa , voaroaka noho tsy nahazoany ny salanisa 10 , satria 0,75 monja , no tsy nahafeno ny isa notadiavina amin’ny fianarana toy itony , tsy misy angamba ny atao hoe : « salan’isa farany ahafahana misondrotra kilasy » , Izay ny lafiny amin’iny fa ny fiainana an-davan’androny indray no ambara fohy amintsika : Efa nampianatra tao amin’ny Sekoly Fjkm Rainisinja ; Namehana ny taona 1988Solon-dohan-tsokajy ny Andiany Voromahery , tao amin’ny Fikambanana Scout Kiadin’i Madagasikara ary efa lohan-tsokajy ny Andiany Maingoka tao amin’io Fikambanana io ihany koa ny taona 1980 - 1989 , Filoha mpanorina ny Fikambanan’ny Tanora Mihetsiketsika Miray Santatra ny taona 1990 sy ny Fikambanan’ny tanora vonona hanondrotra an’i Madagasikara ny taona 1992 . Filoha Lefitra ny Fikambanan’ny Tanora Arema tao Andraisoro ny taona 1994 . Niasa tao amin’ny Ministeran’ny Fiompiana tao Ampandrianomby ny taona 1993 . Tsy adino fa nampianatra tao amin’ny Sekoly FJKM Rainisija ; tao Namehana ny taona 1998 . Mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana izy ny taona 1999 ary Biraon’izany Sekoly Alahady , izany nandritra ny 16 taona ( 2003 ka hatramin’izao taona 2020 izao ) . Ny taona : 2003 - 2007 : Mpihevi-draharahan’ny Sampana Sekoly tao amin’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, no nampiananatra ny Voafonja Vehivavy tao amin’ny Fonjan’Antanimora ihany koa ny tenany , tany amin’ny ny taona 2004 - 2005 . Nomena ny Sertifika rehefa nahavita ny Fiofanana . « Alphabetiser » ny taona 2004 , tao amin’ny FMBM . Mpikaroka sy mpikirakitra ny Arsivam-piangonana no fiofanana farany natrehany ny taona 2005. Nahavita ny fianarany tao amin’ny Sehatra Teolojika ho an’ny Laika , tao amin’ny « Faculte de Theologique Ambatonakanga » Andiany Faharetana izy ny taona : 2005. Nahavita ihany koa ny Fianarana Teolojika am-pitain-davitra tao amin’ny « International Lutheran Laymen’s Leaque » sy ny « Lutheran Hour Minstries », ny taona 2005 [ Amin’ny Fiteny Malagasy sy Frantsay ] Ny 30 Martsa 2006, izy no tafiditra niasa tao amin’ny Ivo toerana fanamboarana Vakisin’ ny biby fiompy etsy Ampandrianomby ; izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa , ka ny sampana Varotra sy ny « Etiqueter » ( Petit Bout de Papier ) no asa niandraketany tao tamin’izany , fa ny taona 2009 , izy dia niakatra tao amin’ny « Laboratoire ao amin’ny « Service Milieu » ka nisahana ny andraikitra ho « Garcon de labo » ny taona 2018 , izy no lasa ho «Preparateur de Laboratoire » na « Ouvrier Spécialisé » ary mbola izany hatamin’izao taona 2020 , izao . Ny taona 2007 , izy dia Birao ny Sampana Sekoly Alahady . Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana ; ary mbola am-perin’asa hatreto amin’ny fotoana hanoratana ( 2020 ) . Manana traikefa ihany koa mahakasika ny Fanabeazana ny Ankizy na ny : « Education pour la paix » noho ny Fiofanana nampanaovin’ny Unicef, azy ny taona 2008 . Efa Filoha Lefitry ny « Secteur Mangarivotra » ; Fokontany Ambatomaro Antsobolo ny taona 2009 - 2010 . ny tenany . Nomena ny Diplaoma ny Sekoly Alahady Manomana Mpampianatra tao amin’ny Sampana Sekoly Alahady . Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana , ny taona 2016 . Niofana mahakasika ny asa fanaovan-gazety nampanaovin’ny Foibe FJKM , na ny marimarina kokoa ny mahakasika ny Serasera eo anivon’ny FJKM ny taona 2018 . Tale misahana ny ara-bola ao amin’ny Gazety Taniketsa , avoakan’ny Sampana Sekoly Alahady Fjkm Andrainarivo Fahasoavana, nandritra ny taona maro : ( Folo taona , ary mbola am-perin’asa , nanomboka ny taona 2010 , ka hatramin’izao taona 2023 izao . ) Ny Volana Jona 2006 , izy no nihaona sy nifankahita tamin’ilay olon-tiany tao amin’ilay ivo-toerana izay niasany , izay nolazaina tery aloha ka ny 30 Desambra 2006 ; no natao ny fangatahana sy ny fifamofoana ary ny vody ondry . Izany dia notanterahana tao Madiotsifafana Ambatondrazaka ; araka ny fangatahan’i Dokotera Benjamina . Ny Sabotsy 31 Martsa 2007 ; kosa no natao ny fisoratam-panadiana tao amin’ny Firaisana fahatelo , tetsy Antaninandro; izay nitohy tamin’ny fanamasinana ny fanambadiana izay natao tao amin’ny FJKM Andrainarivo .Izany lehilahy izany no nampakatra an-dRtoa RABERANTO Fidson Dina Tantely ho , vadiny . Telo mianadahy ny zanany ka roa vavy ary Lahitokana ny iray . [ ANDRIANARIVO TANTELY Ialy Nofy Meva Miangoty ( 15 taona = Kilasy taona 11 *) ; ANDRIANARIVO TANTELY Ny Arovana Miotisoa Sombin’Aina ( 13 taona = Kilasy taona faha 4 * ) ary ANDRIANARIVO TANTELY Fanomezantsoa Aina Nafindra ( 11 taona = Kilasy faha 6 * ] * Ny taona 2023 . Ny Gazetim-panjakana ; izay nivoaka tamin’ny Alakamisy 11 Jolay 2019 ; izay mitondra ny laharana : 3899 ; araka ny didim-pitondra laharana faha 12 288 / 2019 – PRM GCH ; izay nataon’ny filohan’ny Repoblika Atoa Andry Niriana Rajoelina ; tamin’ny 14 Jona 2019 ny mahakasika ny medalin’ny mpiasa ; dia omena noho ny fahatongavan’ny 1 May 2019 . Ny tenany dia nomen’ny fitondram-panjakana ny medaly alimo ; rehefa niasa nandritra ny 14 taona tao amin’ny IMVAVET etsy Ampandrianomby , izay Orinasa misahana ny fanamboarana Vakisiny ho an’ny biby , voalaza tery aloha. Tsetsetra tsy aritra no hilazana fa nandalina sy nikaroka ny soratra izy ka nahafahany namoaka boky vitsivitsy sy nahasahiany nanambara ampahibemaso fa tsy poeta izy fa ny soratra miteny no nosoratany . Ireto misy boky efa navoakany . - Aloka sy Nofy : Tononkalo ; nivoaka ny volana Aogositra 2004 - Amour et Deception : Tononkalo amin’ny fiteny frantsay : nivoaka ny volana Febroary 2005 . - Tiako ny zanako ka beaziko : Famakafakana : Nivoaka ny volana Aogositra 2014 . Tany Toamasina { Niangavy ahy izy tsy hilaza ny momba azy manokana kanefa voatery aho amin’ny maha iray anay satria Alokin’ny Hoaviko izy…Noterena hangina fa tsy nety …Aloka…Alok’iza...Alokin’ny vatako mahantra . } { Ny Aloka rehefa tazanina dia maneho fa tsinotsinona ny olona iray na zavatra voaforona iray ,satria tsy tena izy fa manaloka ihany } “ Ny Fitiavako ny Fireneko , tsy atakaloko vola na voninahitra . Tiako izy satria teto aho no napetrak’Ilay Nahary . Malagasy aho ary reharehako izany . Na inona volon-koditra na avy aiza no niaviako ” TOKO I 1. Ny Fiandohany Raha ny Nosy eto amin’izao tontolo izao no heverina, dia i Madagasikara no lehibe indrindra. Manarakaraka azy avy eo i Borneo sy Nouvelle Zelande ary i Australie. Izay samy ao anatin’ny vondron - dranomasina Océanie avokoa, ary ao anatin’ny hémisphère atsimo no toerana misy azy. Ilay lakan-dranon’ny Mozambika, 400 km monja no manasaraka ny Nosy Madagasikara amin’i Afrika. Raha ny tantara anefa no zohina dia tsy momba velively tamin’i Afrika mihitsy i Madagasikara, fa saingy noho izy akaiky loatra ny tany Afrikana no nahatonga azy ho « Ilay tany lehibe Afrikana voadidina ranomasina » . 592.000 Km2 ny haben’ny velarany. 1580 Km kosa ny tsanganany. 5.600 Km, kosa ny moron-tsiraka . Tany ambadik’i Manareza, araka ny Carte de Martin Behaim, ilay saritany vita tamin’ny taona 1492, dia nikambana tamin’ilay tany lehibe anankiray atao hoe: ( Savona sy Isaïr ) i Madagasikara, izay nitohy hatrany Indes ka hatrany Australie. Voasaron’ny ranomasina sy vokatry ny horohoron-tany ambanin’ny ranomasina anefa io vondron-tany iray lehibe io ka nampihanjahanja ireo vondron-tany maromaro amin’izao fotoana izao, anankiray amin’izany i Madagasikara, ilay misari-tongotra an-kavia. ( na ilay Nosy lehiben’i Afrika ). Ny fahitana an’ireo karazam-biby velona fahangolan-tany toy ny : Dinozoro ary ireo karazam-biby velona sy karazan-java-maniry tsy fahita afa tsy eto amintsika irery no maha tokana an-tany azy . Raha ny 2000 taona no mankaty anefa no jerena dia tsy nisy fiovana firy ilay endrika soa nananany na dia nisy ihany aza ny fikikisan’ny ranomasina ny morontsiraka .Teo ihany koa ireo. vondron-tany manodidina azy ( Comores, La Réunion, Maurice, Maldive, Seychelles ). Marco Polo, tamin’ny taon-jato faha-13 no nahita azy voalohany, ary taty aoriana dia làlam-bolan’ny Eoropeana sy ny Afrikana ary Asiatika i Madagasikara. Teo amin’ny varotr’olona sy ny fifanankalozana entam-barotra. Ary farany aza moa dia lasa toeram-pamaharan’i Frantsay mihitsy ary nobodoiny tanteraka tsotra izao . 1.2 Ny Nahatonga ny anarana hoe : « Madagasikara » Voalohany aloha , i Madagasikara dia Nosy tokana onenan’ny Malagasy , izay miteny ny fiteny malagasy tokana. Tsy ireo fahiny teto amin’ity Nosy ity , no nanome ny anarana hoe : Madagasikara an’ity tanindrazantsika ity, fa ireo vahiny izay namangivangy azy matetika, noho ny hasoany. Noho ny tanintsika tsy nanana anarana tamin’izany andro izany, rahefa niantso ny Nosy izy ireo, dia ny Tanin‘ny Malakasin’Iharana no niantsoany azy. Malakasy dia ny manodidina an’Iharambazaha. Iharambazaha dia tendrombohitra any avaratra atsinanan’i Madagasikara, any amin’ny tanin’ny Antakarana . Rehefa nifintina hatrany hatrany ny Tenin‘ny Malakasin’Iharana dia toy izao ny fiovaovany : Malagasi ihara = Madagasi kara = Madagasikara Ny hevitry ny teny hoe : Madagasikara izany dia voalohany - Madagasikara tanin’ny Malagasy ary faharoa Madagasikara, tany be harambato; Araka ny fanehoan-kevitry ( Dokotera Rakotonirainy Joseph ) . Hatramin’ny arivo taona maro , dia tsy fantatra ny anaran’ity Nosy ity, Eny fa na dia efa nisy aza , izay hafa fomba ; nohon’ny Arabo aza . Fantatsika ny fitoviana amin’ny teny malay sy Malagasy, araka ny tantara voatana ao amin’ny Sorabe Anakara - Antemoro , izay mampiseho ny volan’onjatsy ( 1200 - 1500 ) ary nahalalana fa nisy bonaika tia fihavanana tao avaratra - atsinanana ( Vohimaro ) izay natao hoe : malakasy. Nisy harambato tsara tarehy sy nahafinaritra nampalaza io toerana io. Koa nantsoin’ny olona hoe : Iharambaya na Iharambazaha tato aoriana. Ny vazaha dia midika hoe vahiny. Ny tompon - tany tao kosa dia nataon’ny vahiny hoe : Malakasin’i Iharana ; Harana, fototeny ao anatiny dia Kara ; harambato, iharamalaza, vatokaranana, ka vato no heviny amin’ny raki-bolana : Malay - malagasy . Niitatra ny fivelaran’ny teny hoe Malakasy . Tsy ny manodidina an’Iharambazaha intsony no nantsoina hoe : Malakasy taty aoriana, fa ny mponin’i Madagasikara manontolo. Tsy Malakasy intsony anefa no niantsoana azy fa Malagasy , ka ny K izay renintsortra mahia, manify, kely dia niova ho G, renintsoratra vaventy, goavana. Tsy tandrifin - drahona izany fiovana izany fa lalànan’ny fiteny malagasy mihitsy. Diniho ange : Ngeza , Goavana, Goay ; ampitahao amin’ny Grand, Gros, Gras, Great . Ny Kely ; Kitina ; Pitiny , sns .., ampitahao amin’ny hoe : Cretin;Chetif; Petit ,etc . Faharoa , izay mbola hiadian-kevitra ihany ny momba an’i Madagasikara , ilay be Harambato , Raha tsikeraina ny teny hoe : Madagasikara , dia toy izao no hita, Madagasi + kara . Ny Kara izay teny nanampy ; entina milaza ny toetry ny tanin’i Madagasikara, izay tany be harambato. Ny Kara * = dia ilazana zava - mafy, mitarehim - bato : akoran’atody, maty ankaranany, maneno ankaranany, akorandriaka, haranan’akoho, vato karanana, karaobato, karakaina, karandoha. Mbola i Dr Rakotonirainy joseph, ihany no mamaritra izany amin’ny lahatsoratra nataony . Saritanin'izao tontolo izao tao anatin'ny fifindrana, ary mbola hitantsika eo ny tany Nosy lavalava atao hoe Lémurie. Ny antony niantsoan’ny mpandinika azy hoe Lémurie, dia noho izy hany faritany ahitana ireo Ragidro na Lémurien. Misy 32 ny karazan - dragidro, nefa ny 28 amin’izy ireo , dia mbola velona tsara eto Madagasikara avokoa , hatramin’izao. Tamin’ny taona 600 tapitrisa ; no nisian’ny olombelona voalohany tany Malaizia, any Azia afovoany ary teto Afrika - Madagasikara. Dia nilentika tsikelikely i Lemurie, nanjavona ary tsy tazana na hita intsony , afa - tsy i Madagasikara no nahatahiry betsaka tamin’izany. Dia nanirery teo atsinanana kelin’i Afrika ity nosy ity , ary ny biby sy ny hazo maniry tao aminy. Izany no mampitovy be dia be , ny sivilizasiona Malay sy Dravidiana, nefa i Madagasikara irery ihany , no hany nahatahiry betsaka tamin’izany. Tsy avy ny Malaizia velively ny razan’ny malagasy fa : tompon-tany hatramin’ny fahagola teto** . Ny teny mampiavaka antsika amin’ny hafa rehetra dia noho isika ny Anaran-dReny *** no lovana fa tsy mba ny Anaran-dRay , toy ny firenen - drehetra . Toy izany koa no mbola hisian’ny Alfabeta Tra sy Dra eto madagasikara fa ny an’ny firenen - kafa rehetra dia levona sy karazan - teny maty ( sanskrity ). Nisy vahiny lehilahy mpiantsambo isan - karazany nandalo teto Madagasikara , naka vehivavy tompontany teto ary dia namela taranaka teto izay notinaizan’ny reniny irery rehefa lasa ilay vahiny. Izany hoe kazazan’olona tokana ny razambavintsika Malagasy rehetra tany am-piandohana , ary satria ny anaran-dReniny no nentiny , dia avy amin’izany no nihavian’ny teny Manakasina hoe : Firenena . Ary koa ny fitenin-dreniny no nolovany, ary dia izao fiteny malagasy izao izany . Izay no anton’ny hiantsoana mialoha ny razan’i Neny ; alohan’ny razan’i Dada , raha hanao Tsikafara ( Matriarcat ny fombandrazantsika ) . Ny volan’onjatsy izay nosoratana tamin’ny sorabe tamin’ny taona 1504 dia ahitana mazava fa efa nanana sivilizasiona ny mponin’ity Nosy ity, izany hoe ny Razan’ny Neny **** Araka ny fikarohana natao ihany , dia fahadisoana nataon'ireo Eropeana nanaraka ny feo heno ary voasoratr'ingahy Marco Polo, izay efa voalaza etsy ambony io, no nahatonga ny anaran'i Madagasikara ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe : « Milione » , voadika amin'ny fiteny italiana . Ankehitriny dia marihiny fa misy fanjakana roa lehibe matanjaka any amin'ireo nosy roa ao atsinanan'i Afrika dia i Madaghosho = ( Madeigascar na Mogelascio ) sy i Zanzibar ( Zanguebar ); arak'izany ny teny hoe : Madaghosh izay ampiasain'i Marco Polo eto dia azo heverina fa mifandraika amin'ny teny hindy indianina hoe : mad'hos ; koa noho izy nihaino fotsiny nefa tsy tena mahay ny teny hindy dia izay nahazoany azy no nanoratany azy; koa azo heverina fa io teny hindy ; izay nanaraka ny sivilizasiona maley tamin'izany io no mety ho fototry ny teny , tena mahalaza ny anarana hoe Madagasikara sy Malagasy, satria miovaova ny fanononana ny teny araka ny fotoana sy ny tantara, ary tsy mitsaha-mivoatra izy. Ny teny Hindy mad'hos , moa dia midika hoe : « ravoravo », « mifalihavanja » , « velon'aina fa feno fanantenana » ; tsy lavitra an'izany ny fomban'ny Malagasy ary mahasarika vahiny maro, koa mety ho notondroin'ireto Indianina ho tanin'ireo olona falifaly na ravoravo ity Nosintsika. Raha dinihina izany dia ireo Indianina tonga taty amintsika voalohany no nanome io anarana io; ary raha ny fiovan'ny feo no zohina dia toy izao no azo andinihana io teny io: mad'hos , mety ho voatonona ho mad'ghos, na mal'hos, na mal'ghos, saingy ny hoe Madeigascar , voalazan'i Marco Polo dia noho izy nanao lala-mahitsy fotsiny, ary nandahatra azy mora fotsiny amin'ny hoe Zanguebar na Zanzibar ; ( marihina fa amin'ny fandrasan-teny ny fiovana dia ny h lasa g ; ny d , miova ho l , koa azo halalinina akaiky izany ) . Toy izao kosa ny hevitr'i Xhi sy M'aa, izay filôzôfy malagasy anisan'ny fanta-daza:Ny fanandroana malagasy dia mampiasa anaram-bolana, toy ny fanandroana rehetra hita eran-tany: Alahamady, Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo, Alohotsy. Amin'ireo anaram-bolana ireo dia ny volana Alahamady sy Alakaosy ary Alakarabo no nivoahan'ny teny hoe : Mady - Kaosy - Kara , ka ireo hono no nahatonga ilay hoe : Madagasikara rehefa atambatra ny teny . Mbola hitohy raha sitrakao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kaboanta-le-hendr/aiza-ianao
AIZA IANAO...?
KABOANTA Le-Hendr
Aiza ianao ry fahafahana anjara izay sahaza iainanay ankalalahana? Fa tserona amin-gadrà no hany manalokay rehefa iny ka injay, mitady anao eny andàlana... Aiza hoy aho, ny fahaleovantena anjara fahafahana nanaovan-dray'-dreny sorona? No hany fahatanjahana, mametra izay harena fanondro ireto olona mpanampi-pahefana... Aiza, aiza ianao ry fandrosoana anjara fahaleovantena hampamiratra ny nosy izay miheva ambony harena? No hany re-ampita, ny mpitondranao mandondona, mikolasy, mandrotsirotsy vahiny ho mpandova...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/tahiry
TAHIRY
AnjaraNivo
TAHIRY Na mbola iangaliako izay tantara izay, Tsy hiverina akory fa zavatra vita; Ka tetika monja ny ho mandrakizay Fa rehefa tsy anjara dia embona sisa. Na kolokoloiko ny diarin'ny lasa Sy soa nifanaovana tsara tahiry; Ny tena fitiavana rehetra nandratra Raha sendra tadidy, mampangirifiry. 'Ndraindray miantsoantso fifalifaliana Amin'ny andro ipoiran'ireo tsiaro ireo; F'indrisy na tiana na mbola tsy tiana: "Ny foko tsy hahay hanadino anareo" !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/lazaiko-anao
LAZAIKO ANAO
NY Andri-Fara
Lazaiko anao… Iny lalàna hizoranao marain-tsy hariva Sy handalovanao mandavan-taona . Miolikolika mahitsy sa tsy marina izany ?! Iny no tsy maintsy hifanena raha hihaona …, Saingy tsy ho tsiny raha toa ka tsy tafahoana . Ity tany izay handalovana ity…, Tanim-pahoriana kanefa tanim-pahasambarana Fahoriana ho an’ireo tsy nahita hiantsampazana ; Fahasambarana ho an’izay tojo izay niriny . Hitraka ianao sahirana mamantatra… Hiondrika ihany koa , toa malama izay diavina . Fitiavana ?! nahoana kay no nisy fa tsy foana ! Tsy ho foana izany raha mbola eo ny tany sy ny lanitra ; Vavolombelon’ny tantara , noforonon’ny Mpahary . Lazaiko anao f’izao tontolo izao tsy voafetra no hitsara Fa ny fiainana mazana herisetra-pahavalo te handavo . Ireo tontolo hita maso na ny tsy hita hiaran’ny ankaso , Izany no mampifamatotra ny aina amin’ny fanahy ; Ka izay rehetra nivarotra ny fony nanakalo haitraitra ! Nanimba fihavanana…Nanova ny tontolony ho simba ; Fa lazaiko anao , ho rava izao tontolo misy izao . Tsy hisy tafajanona eto na ny tsara na ny ratsy…, Na mahantra na ny manana , tsy maintsy handao ny tany . Lazaiko anao , fa tsy hamidiko ny foko … ; Raha mbola misy alahelo ilay antsa tsy nantsaina ; Dia aza mitomany na koa hisento lalina . Avelao izany ho any ; Avelao ary aza manontany akory ; Fa mola misy tia anao any …Tia anao saingy tsy ho hitanao… Iray ny lalana saingy samy manana ny hizorany . Ianao mandroso mandroso hatrany ; Izy kosa mandroso saingy toa mihemotra tsy hita fiafarana !. Fitiavana ! toa anao koa ny fony marary saingy tsy ho tsininy Lazaiko anao , kanefa aoka ihany Ny fahoriana hitanao androany , mbola hitanao rahampintso Fiainana izany ; tsy azonao sakanana , tsy azonao tohanana . Aza manontany akory , fa ny aloka sy tsiky no tsiky sy tamberina ; Amin’izay rehetra ato am-poko sy ato an-tsaiko …Ahy irery . Sangodina ny fiainana kanefa tsy hahafanina hitrako hatrany ; Tsy hampiferinaina na hadrotsahako tomany ka hampijaly izato foko Ampy nahafantarako ny diarinao , ilay diam-penina voasoratra ; Mahaiza manadino ireo mpandratra ny fitiavana nivarotra fanahy . Izay ilay soratro miteny aza tsiny raha nasiaka…izay ny fahafahako !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amjra-praise/rediredin-tsaina
REDIREDIN-TSAINA
Amjra Praise
REDIREDIN-TSAINA Diso ianao sakaiza raha nilaza hatraiza hatraiza hoe ny soratro sy teny dia fiainako izy ireny diso ianao ry akama raha nanely eto antanàna ny fananako safira mantsy mba naheno tao anaty tononkira hoe: zah manankarena, zah ilay tompombolamena. Dia nino koa leity.... misaotra anao aloa mankafy e! Fa atsidiko ihany ity hoe tsy fiainako leity fa angamba rediredintsaina ihany ireny tantaraina mantsy sao mitetitetika ny hamono sy hanendaka raha lasa heritreritra fa toa matetitetikah aho no lasa mpanarivo ao anaty tononkalo. Hiasa indray Ramalagasy ka hitsangana ho fahavalo. Kanefa raha izany, dia aza manantena mihitsy fa tsy misy raha ny aty, tsisy leity a, tsisy fa hatsidiko ihany ty hoe tsy fiainako leity, fa angamba rediredin-tsaina ihany ireny tantaraina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-latsaina
AZA LATSAINA
Fredy Jaofera
AZA LATSAINA Vao maraina rehefa misy koloina sy tsy mba mitetateta, aza latsaina ny rano nosotroina rehefa afaka hetaheta.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mijan%C3%B2na
MIJANÒNA
Fredy Jaofera
MIJANÒNA Vao mirona, mampivaivay ireny zava-manjo dia mijanòna eo amin'izay mampitsiky ny fo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amjra-praise/rediredi-tsaina
REDIREDI-TSAINA
Amjra Praise
REDIREDIN-TSAINA Diso ianao sakaiza raha nilaza hatraiza hatraiza hoe ny soratro sy teny dia fiainako izy ireny diso ianao ry akama raha nanely eto antanàna ny fananako safira mantsy mba naheno tao anaty tononkira hoe: zah manankarena, zah ilay tompombolamena. Dia nino koa leity.... misaotra anao aloa mankafy e! Fa atsidiko ihany ity hoe tsy fiainako leity fa angamba rediredintsaina ihany ireny tantaraina mantsy sao mitetitetika ny hamono sy hanendaka raha lasa heritreritra fa toa matetitetikah aho no lasa mpanarivo ao anaty tononkalo. Hiasa indray Ramalagasy ka hitsangana ho fahavalo. Kanefa raha izany, dia aza manantena mihitsy fa tsy misy raha ny aty, tsisy leity a, tsisy fa hatsidiko ihany ty hoe tsy fiainako leity, fa angamba rediredin-tsaina ihany ireny tantaraina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lehibe
LEHIBE
Fredy Jaofera
LEHIBE Izao no mipololotra tiako mihitsy ho asany, na ahoana na ahoana : lehibe izay mizotra tsy manitsaka ny sasany fa mamiratra eny foana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nofy
NOFY
NY Andri-Fara
Nofy « Raha mbola misy alahelo ilay antsa tsy nantsaina ; dia aza mitomany na koa hisento lalina . Avelao izany ho any ; avelao ary aza manontany akory ; fa mola misy tia anao any …Tia anao saingy tsy ho hitanao…Iray ny lalana saingy samy manana ny hizorany . Ianao mandroso mandroso hatrany ; izy kosa mandroso saingy toa mihemotra tsy hitanao fiafarana !. Fitiavana ! toa anao koa ny fony marary saingy tsy ho tsininy »
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amjrapraise/namana
NAMANA
AmjraPraise
NAMANA Namana ny namana fa misy tena namana. manoatra noho ny havana eny koa manam-pitiavana fa ny namana tsy namana dia tsy tokony hinamanana fa mafy fo, manidy tanana mamorom-pahasembanana fantaro izay ho namanao mpifikipikitra aminao. akory tsy hoe izao rehetra izao dia handeha hitakosonanao tandremo fa izy ireny tsy hanoka-bava mihitsy hiteny hoe: andrendrika anao eny hoeny no hitondrako anao hirenireny fa ny namana tsara sy tokony ho tiana dia izay manainky ho namanao amin'ny fahoriana. izay hiankinana fa tsy mba misitaka ary hifikirana fa tsy mba mitsipaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-saina-ratsy
NY SAINA RATSY
Fredy Jaofera
NY SAINA RATSY Tatsy ho atsy, ketraka ve na vaky barara ? Ny saina ratsy, tsy manome zavatra tsara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mpanome
MPANOME
Fredy Jaofera
MPANOME Hoy aho, tsy miambatra isaky ny mandeha, na mety hampihataka : ny olona sambatra dia ny mpanome fa tsy ny mpangataka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ventso-ny-nofiko-thierry/avelao-aho-ho-irery
Avelao aho ho irery
Ventso ny nofiko (Thierry)
❣️Avelao aho ho irery❣️ Avelao aho ho irery hitanondrika hipetraka Lavo tsy misy mpijery Mila ho kivy sy ketraka Ankehitriny aho resy nalahelo, rotsa-tomany Tojo sedra mifanesy Tsy nahitana mamy Avelao aho ho irery ho sakaizam-pahanginana Fiangaviana fa tsy an-tery hiainako ampilaminana Anio ny saiko ho alamiko andeha hamakivaky ny tontolo F'ilay fitiavanao nindramiko Inoako tsy misy hahasolo Ka avelao aho ho irery hamalona ny pejin'ny lasa Ka ho faranako ny teny ny amintsika efa voafafa averiko, foana ilay teny averiko mba ho tadidy Hoe: avelao aho ho irery Hamela raki-tsarobidy..... Patrick Thierry Randriambololona 25/01/24
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/raha
Raha
honenantsoa
Raha mety ny atao Moa hatsapa fahoriana? Fa anaty alahelo no Hanoratana hakiviana Raha samy nahateraka Nefa misy ihany koa Mijaly tsy mba miaina andro Faly Heloka ve ny handao -tany? Raha dify ny haizina Ka hary ery ny hazava Tsy hiverina ny andro lasa Fa manimba izay voa-kinasa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amjrapraise/mitia-anao-mangina
MITIA ANAO MANGINA
AmjraPraise
Tiako ianao ry kanto tiako ianao kanefa matahotra aho sao dia holavinao sahady feno tena feno raha ny ato anatiko ato ilay fitia miredareda feno manana tomady mazàna aho raha hiteny sy amboraka aminao, izay mavesatra ato ampoko dia toa misy fahatsapana misy hery izay tsy haiko, manetsika ny foko ka toa manidy indray ny vavako efa saika anambara toa miodina ny lelako miahiahy ny saiko mangovitra ny vatako toa misy sakana ny tendako dia hany toa tsy haiko indray ny anokatra ny vavako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amjra-praise/onjohonjoko-samy-irery
HONJOHONJOKO SAMY IRERY
Amjra Praise
Tsio-drivotra malefaka, feom-borona no sisa no hany namako miresaka, manainga visavisa. Fa efa tsy eto intsony ianao, nidify efa nandao izao tontolo izao angamba ianao any hoany tena miadana sy sambatra aok'izany, Dia tsy mahatsiaro intsony koa ny tany Fa efa voababon'ilay paradisa mamy Honjohonjoko samy irery sisa no mamisavisa. Malahelo mitomany ireo tanjona tsy vita, fa nilaozanao nandeha, ireo fikasana be dia be Raha mba teto izao ianao dia namako hilalao ankamnatatra sy tanisa haiteny sy ny sisa Indrisy anefa izany nofinofy fotsiny ihany Tiako ho tanteraka fa indrisy, tsy ho tanteraka mihitsy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zaka-berthot-randrianasolo/izy
IZY
Zaka Berthot RANDRIANASOLO
Satria ve tia izy iny ka nararaotinao ? Satria ve tia izy iny ka nataonao kilalao ? Nataonao tsinontsiona ny fony, Hany ka lasa kapoaka mangidy no nosotroiny. Tamin’ireny… Tena tia izy, tia tamin’ny fony. Tena tia izy, natokany ho anao ny tontolony. Kinanjo anefa diso ny fanantenany. Kinanjo anefa, ratra ny hazony. Voafitaka ny fanahiny. Kanefa… Nandeha ny fotoana, ankehitriny izy nahita tsiky. Nandeha ny fotoana, nifanena tamin’ny tia azy izy, Ny zavatra efa tsy nantenainy, indro fa mbola nisy. Nahita afaliana izy, natsapa hoe tia. Nahita afaliana izy, nazava sy namirapiratra ny dia. Ary ireo zavatra izay nolalovany tsy ho adinony. Hanatra ho an’ny hoavy, tsy ny faikany no nalainy fa ny lesona sy ny tsirony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amjra-praise/fitiavam-bolana
FITIAVAM-BOLANA
Amjra Praise
FITIAVAM-BOLANA Tsinana ny volana mipotsaka erý. Moa ve tsinana ao ampo ilay afon'ny fitia?? Tsinana izy anio, fa tsy maintsy mbola ho feno manana Eo no tena andrasana ilay tena fitiavana tsy ho mandrakariva akory, raha toa ka fenomanana fa ho tonga haizin'gola, hany ka tsy ho tazana Ka moa ve sanatria, ataoko hoe sanatria Ka hanao toy ny volana ianao rehefa mitia???
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-namana-tena-namana
NY NAMANA TENA NAMANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ny namana tena namana, tia na ory ianao na manana. lavitra azy ny ady varotra ; olona mandala fihavanana, tsy manary amin’ny sarotra. Ny namana tena namana, tsy izay itanao eny foana, fa ny tonga mankahery, amin’ny andro sy fotoana, ahatsapanao fa toa very. Ny namana tena namana, tsongaina anatin’ny maro ; tsy tia mihatsaravelatsihy, fady azy ny mampifangaro, ny tokony ho eny na ny tsia. Ny namana tena namana, tsy mieritreri-dratsy anao ; na isan’ny mandefona ivoho, amin’ny zava-drehetra atao, mahatonga tsy fiadanam-po. Ny namana tena namana, miara-mikorana am-pifaliana, mifanohana am-pahoriana, mifampizara ny mahaliana, fifankatiavana no mikoriana. Iza no namana tena namana ? Tsy dia maro loatra izy ireny. Ny ankamaroany ivelany ihany, manamboatra fihetsika sy fiteny ; fa anaty any mandavo an-tany. Amin’ny namana tena namana, tsy ho adino ny akaiky indrindra, tsy iza fa ny vady andefimandry, miara-midola, miara-mamindra, miaraka tsy tafandry mandry.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga-ny-maraina
TONGA NY MARAINA
Fredy Jaofera
TONGA NY MARAINA Tonga ny maraina mamoha eto indray, Tompo no deraina, asiana vavaka iray. Tonga ny maraina mamelona ny ora, manaitra ny saina hiasa moramora. Tonga ny maraina mibaby andraikitra tsy mitondra laina fa indro miraikitra. Tonga ny maraina mameno fifaliana mbola antenaina hitrotro faniriana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amjra-praise/mijoroa-aminny-maha-ianao-anao
MIJOROA AMIN'NY MAHA IANAO ANAO
Amjra Praise
MIJOROA AMIN'NY MAHA IANAO ANAO Fa nahoana ianao no kivy toa tsy manantena intsony raha mba sendra izay mangidy tsy ho mandrakozay akory? Aza zatra mitanondrika raha mbola mahay mitraka fa manàna vina hanonitra ireo izay tsy nety lasa fa tsy misy very anjara izay izay mahandry sy maharitra eny indraindry toa taratara fa ilaina ianao miaritra tsy nateraka hijaly, na dia hoe tsy hanan-karena ,, manan-jo hifalifaly ka hoy aho hoe mahereza fandalovana ny tany, aoka tsy ho adinonao dia aza kivikivy zany, fa mijoroa amin'ny maha ianao anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera4/raha-tia-ianao
RAHA TIA IANAO
Fredy Jaofera4
RAHA TIA IANAO Raha tia ianao, tsy nisy fandatsana, tsy nisy raorao ny lalana nombana. Raha tia ianao, tsy nisy fanesoana ilay asa natao fa feno haravoana. Raha tia ianao, tsy nisy hasohaso isan'andro izao nahabe ranomaso. Raha tia ianao, tsy nisy haratsiana tao anaty tao fa nisy fanampiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-mandrora
AZA MANDRORA
Fredy Jaofera
AZA MANDRORA Tonga ny ora mampijoro izany fa tsy vazivazy na lalao, aza mandrora anatin'ilay vilany nanome sakafo anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/inay-aho-tsy-nahita
INAY AHO TSY NAHITA
AORN
Tadidiko eny foana Ianao lay vao niserana Ka satry te hihaona tsy misy fahataperana dia tsinjoko ihany koa Lay topi-masonao ka nampihetsi-po tsaroana hatramy zao fa ny tena hafa ilay tsikinao tsy haiko tsy nisy nety hamafa ny foko sy ny saiko Inay aho tsy nahita ilay noserananao mba tapitra sy vita zao nofinofy izao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/raozy
RAOZY
DADAFARAtolotra
Iny raozikeliko iny,mba sarony fahendrena Fa rehefa tonga ny fotoana,hiriko hisy loko mena Aza avela ho kasihin’ireo minia te-hankahala Vao mihevitr’azy ireo,dia ahilio anjorom-bala Hanalavitra ny raoziko ! Tsy tapahanao ny bozaka,mpanalokaloka fotorana Dia tondrao matetika izy, ho solon-damba fisalorana Hampamanitra ny faka,sy ny lemaka haniriny Fa tena tiako mba ho mena,iny raozikeliko iny Rehefa izaho mihoty azy ! Ny fahadiovan’ilay raozy, ho entinao miriaria No taratry ny ampitsotsika,hirarakopana fitia Ka mba hanan-tokatrano,lavitry ny disadisa Raozikely mani-pofona,tena raozim-paradisa Ny ao anaty sahanao ! Indray andro any hanala tsilo an’izany raozitsika izany Tiko ianao raha falifaly,no sady handrotsaka tomany Ranomasom-paharavoana,izay mihika fahasambarana Noho ‘lay raozitsika roa, mbola mihidy varavarana Saingy raha tsy mihidy intsony Dia handosirako ny fony
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ventso-ny-nofiko/fitaka
Fitaka
Ventso ny nofiko
Fitaka Nanjombona sy maloka ny androko anio Hatramin'izay anefa toa mamiratra foana. Ilay rivotra mitsoka mora lasa niova ho tadio Reko manonja, nandrotika ary nampisaona Ilay feo miangotingoty sy mandrotsirotsy Lasa feom-pahatezerana sy fankahalana Hany ka tapitra sy vita hatreo ilay nofinofy Hoe ho doria mandrakizay ilay fiarahana Nitia aho nitia anao tamin'ny foko rehetra Tsy mba nandrimbinako hoan'olonkafa Nanantena ny fitiavanao ho tsy misy fetra Hay fitaka sy lainga maro tsy voafatra Ilay molotrao norohako milaza hoe tena tia, ankehitriny milaza teny tsy fiteny toa zary ompa Teny fitaka sy lainga ary feno fiatsarambelatsia Nampatory sy nampandry izato foko very tompo Zao vao fantatro fa hay mpihindrana fotsiny Tsy izaho no tompony fa an'ilay teo alohako Izaho ilay tsy natao hanatanteraka ilay nofiny fa nataony kilalao ka tsy takatr'ilay lohako Eny eh, mafy tsy tanty, tsy maintsy ekeko ilay fisarahana marary, mafaitra ny ngidin'izany ka tsy hay hatelina Anio aho dia anova ny famindrako, ka akako bahana Hamadika ny pejy ka ho faranako amin'ny teboka tsisy nenina malala ah, ilay malalako taloha, ilay tiako nefa namadika ahy izao ny hafatro ataovy ao antsaina, anio aho lavo Androany aho marary, malahelo, mitomany mijaly Fa ampitso aho higoka fahasambarana, hifaly, hiravo Tadidio koa anefa anio,fa ny lalana izay no diaviko dia mbola ho diavinao ka tadidio ary ataovy ao antsaina, androany aho nanaiky zay rehetra ary tsy nisy nolaviko ampitso ianao anajaranao inadray no mody very maina. RANDRIAMABOLOLONA Patrick Thierry 24/01/24
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ventso-ny-nofiko-thierry/fitaka
Fitaka
Ventso ny nofiko (Thierry)
Fitaka Nanjombona sy maloka ny androko anio Hatramin'izay anefa toa mamiratra foana. Ilay rivotra mitsoka mora lasa niova ho tadio Reko manonja, nandrotika ary nampisaona Ilay feo miangotingoty sy mandrotsirotsy Lasa feom-pahatezerana sy fankahalana Hany ka tapitra sy vita hatreo ilay nofinofy Hoe ho doria mandrakizay ilay fiarahana Nitia aho nitia anao tamin'ny foko rehetra Tsy mba nandrimbinako hoan'olonkafa Nanantena ny fitiavanao ho tsy misy fetra Hay fitaka sy lainga maro tsy voafatra Ilay molotrao norohako milaza hoe tena tia, ankehitriny milaza teny tsy fiteny toa zary ompa Teny fitaka sy lainga ary feno fiatsarambelatsia Nampatory sy nampandry izato foko very tompo Zao vao fantatro fa hay mpihindrana fotsiny Tsy izaho no tompony fa an'ilay teo alohako Izaho ilay tsy natao hanatanteraka ilay nofiny fa nataony kilalao ka tsy takatr'ilay lohako Eny eh, mafy tsy tanty, tsy maintsy ekeko ilay fisarahana marary, mafaitra ny ngidin'izany ka tsy hay hatelina Anio aho dia anova ny famindrako, ka akako bahana Hamadika ny pejy ka ho faranako amin'ny teboka tsisy nenina malala ah, ilay malalako taloha, ilay tiako nefa namadika ahy izao ny hafatro ataovy ao antsaina, anio aho lavo Androany aho marary, malahelo, mitomany mijaly Fa ampitso aho higoka fahasambarana, hifaly, hiravo Tadidio koa anefa anio,fa ny lalana izay no diaviko dia mbola ho diavinao ka tadidio ary ataovy ao antsaina, androany aho nanaiky zay rehetra ary tsy nisy nolaviko ampitso ianao anajaranao inadray no mody very maina. RANDRIAMBOLOLONA Patrick Thierry 24/01/24
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ventso-ny-nofiko-thierry/ilay-foko-adala
Ilay foko adala
Ventso ny nofiko (Thierry)
Ilay foko adala Adala ianao ry foko Adala ianao,tena adala Niaina ireo toloko Adala fa tsy mba nahalala Olona manana ny tiany no injao niantsapazana Tsy ianao ilay olona niriny fa nataony ho mpitazana Tsy fantatrao fa ilay silakao hay izy efa manana ny azy Ianao nahatoky fa tsy kilalao Ny azy nataony vazivazy Nahatoky tena tsara fa hiaraka ho doria Nanantena ho alitara Hay tojo laingam-pitia Nizaka ny mafy tsy fidiny niaritra ny ratra sy ny jaly Nigoaka sahady ngidiny nanditsoka nampitomany Ry foko tena adaladala tsy mba fantatrao marina ilay nantsoinao hoe malala Nandetika anaty antsana lalina Ry foko ôh, ampy izay ataovy veloma ilay tinao ataovy mandrakizay Fa izy efa tsy tia anao RANDRIAMBOLOLONA Patrick Thierry 20/01/24
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/misy-olona-any-ho-any-natao-ho-izay
Misy olona any ho any, natao ho izay
RHHC
Misy olona any ho any, natao hizaha toetra anao, Koa amin’ny ady eto an-tany, dia asehoy ny herinao, Fa TALENTA kely monja tsy voajery hatrizay No mety handavo toy ny onja, haharesy anao indray. Misy olona any ho any, natao hanenjika anao, Ny hany apinga amin’izany dia ilay HERIN-TSAINAo, Tano hifikitra, ho fefy, sao ho voahodin’ireo hafa, Mahereza mba ho tratra ny fanamby nokinasa. Misy olona any ho any, handambolambo handresy anao, Koa mivonoana hatrany hatrany, hitàna TOKY nomenao, Tahirizo ilay FINOANA tsy ho very na ho lefy, Fa ny azy zava-poana, ny anao kosa tsara tefy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maty
MATY
Fredy Jaofera
MATY Ho azy, matsora ny ainga mifamahofaho sy poak'aty ; amin'ny literatiora, manana ny marina ianao rehefa maty.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/izaho-no-diso
Izaho no diso !
Vetso mena
Mety ho izaho no diso Mbola nanandrana nitia Na dia efa fantatra fa tsilo Dia mbola nandeha niriaria Mety noho ny Amiko Izay nanantena fiovana Nahatonga anao teo akaikiko Tsy nanao afa-tsy ny nandratra Eny izaho no diso Fa mbola niezaka nitia ihany Na efa fantatra fa risoriso Ka mety hampitondra tomany Ekeko ! Ahy ny fahadisoana Ka tsy omeko tsiny akory ianao Raha toa ny fitiavantsika foana Dia noho Izaho nahatoky anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/hafaliana-mangina
HAFALIANA MANGINA
RHHC
Hafaliana tsy hay tohaina No ao am-poko tsy miloaka, Ka Ilay Tompo tsy nosarahina No tolorako ny saotra. Hafaliana hafakely, Tsy mba toy ny an’ny maro, Tsy nahim-poko velively, Ary miavaka fangaro. Hafaliana tsy omby tratra Nefa koa tsy hay bitahana Sao sanatria indray haratra, Fahanginana no aoka hibahana. Ahy izao ny hafaliana Ary inoako mba haharitra Fa mampandresy fijaliana Ka iderako an’Andriamanitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/mihanoka-hafaliana
Mihanoka hafaliana
RHHC
Misy ny mirenireny eny an-dalan’ny fiainana Tsisy tanjona izy ireny fa ny hodinkodina, itarainany. Vahobahotry ny tahotra ary feno fanahiana, Tsy hay hoe taiza…ka ho aiza…, tsy hay hoe inona no tiany. Tsy maharaka fa valaka, Tsy fantany akory ‘zay hanalany sorisory. Misy ihany koa anefa Ireo vonona hanefa Nofy “handresy”,… izay no hirainy, Ny ho tsara hatrany no ao an-tsainy. Ka na mikija, na mingaina, Misandratra andro, tsy taraina. Dia indro tojo faniriana, Ka mihanoka hafaliana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/miverena-an-doharano
Miverena an-doharano
RHHC
Miverena an-doharano Raha mahatsapa ho very an-dalana, Miverena an-doharano, Karohy, ataovy lohalaharana, Ny maha-Sarobidy anao, fantaro! Mila tony, kimpy maso, Fantoka amin’ilay AINA, Io, mandevona ny ankaso, Ny Fiadanana? Zarainy. Amin’izay ianao, hahatsapa, Fa tsy ilàna olon-kafa Nitondra drafitra vaovao Mety handetika anao. Fa efa misy anjara kanto, Sady mendrika no tsara, Narindra hilamina, hilanto, Ka ny ao anaty no hanambara. Anao anefa ny safidy, Hatoky na hanova izany, Malalaka, tsy misy didy, Ny Mpahary moa hanefa hatrany. Ho an’ireo tsy nahalala, Dia sasa-miandry valim-bavaka, Voafitaky ny tombo sy hala, Ahetrin’ny hafa any an-davaka. Eny, ekena, fa tsy mora, Ny hampisinda rako-tava Vonto lainga isan’ora, Tena mafy ny mandrava. Saingy aoka anefa hahatsiaro, Fa ampy hery ireo maro Efa manandratra ny hasina, Manarin’izay nitsikasina. Avo lenta ara-panahy ireo, Mahita hiratra jerena, Matoky feno an’Ilay Mpiahy, Ny mizara soa, efa nekeny. Izy ireo no efa manampy, Eny amin’ny fiaraha-monina eny, Mampatsiahy ‘lay Vatolampy Ao anaty… tena harena. Ao ‘Lay Loharanon-tsoa, Mandray ny andon’ny Lanitra Sy Tsiron’ny Tany, hatrany an-doha Mipariaka sy maharitra. Miantsa, indreo, ny zava-boahary, Re ny akom-pifaliana, Velon-tsaotra indray ny Tany, Fa tandrify faniriana. Miha-miverina haavo Ireo lentam-pihasinana, Ny mpanao tsindrio fa lavo, Nihetry, resim-pahamarinana. Ireo siokam-borokely, Injao fa heno mitso-drano, Manan-jina ilay teny: Hoe “Miverena an-doharano”.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tia-ianao
RAHA TIA IANAO
Fredy Jaofera
RAHA TIA IANAO Raha tia ianao, tsy nisy fandatsana, tsy nisy raorao ny lalana nombana. Raha tia ianao, tsy nisy fanesoana ilay asa natao fa feno haravoana. Raha tia ianao, tsy nisy hasohaso isan'andro izao sy be ny ranomaso. Raha tia ianao, tsy nisy haratsiana tao anaty tao fa nisy fanampiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/nofy
Nofy
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Any anatin'ny alina any Misy fiainana finaritra Misy fiainana mangidy Misy iray fahasambarana Misy iray koa fahoriana Izay andraisanao anjara Any anatin'ny alina any Aizimbe sy fahanginana Feno torimaso maron' Ireo nofo marobe Ireo nofy marobe Karazam-pianana faharoa Tsy ahatsapan' ny nofo jaly Any anatin'ny alina any Any indray no ahitako Fiainana efa lasa maro Tsy ho hitako intsony Any indray no ahitako Ilay fiainam- pahazazana Efa nafenin'ireo taona Dila efa nodiaviko Ny taona vitsi-pahazazako Ny vao nahiditra antsekoly Ireo karazana lalao Niarahana amin'ireo sakaiza Ireny ditraditra kely Nananarana fahiny Ireny tsikin-njaza bodo Ireny ranomaso mora Ireny gafigafy maro Ireo taraina indraindray Voatahiry angamba ireny Ka averin'ny tsy fantatra Any anatin'ny aliko any Any anatin'ny nofiko any Any indray no ahitako Ilay olona iray Ilay voalohan'ny fitiavako Samban'ilay nahalalako Ilay teny atao hoe tia Ilay tena atao hoe tia Efa tsy hitako hatry ny ela Efa adinoko hatry ny ela Teo anivon'ny fiainako Izany nisy izany koa Mbola averin'ny tsy fantatra Any anatin'ny aliko any Izay rakotra aizim-pito Nefa lasa ahitàko Irik' hazavana kely Manazava indray ny aliko Manazava indray ny nofiko Manazava indray ny nofoko Fa mbola misy ireny lasa Mbola azo nisambarana Izay averin'ny tsy fantatra Any anatin'ny alina any Any koa no ahitako Ireo sakaiza marobe Efa ela tsy hita intsony Mbola indreny indray miverina Miara-mifanapa-mofo Miaraka manandra-peo Ny fanevam-pinamanana Nahatsapako ny hamamiana Any anatin'ny alina any Rava ny elanelan-tany Fa mifankahita foana Eny, fa ireo fotoana Efa ela no nivalona Mbola averin'ny tsy fantatra Any anatin'ny alina any Misy hoavy asehony any Misy lasa averiny any Misy jiro manazava Anaty fiainana tsy fantatra Misy tanjona tsy tratra Tratra anatin'ny alina any Misy olona efa maty Miaina anatin'ny alina any Misy antsoantso koa Misy fifaliana koa Misy ranomaso koa Misy nofinofy maro Eny, misy marobe Tsy fahita andavan'andro Fa any anatin'ny fahanginana Any anaty aizim-pito Any anatin'ny alina any Misy fiainana hafa mihintsy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/fiainana-anjoria
Fiainana anjoria
RHHC
Maro tranga mifanjohy anie ny lalana diavina, Tsy hay vinaniana izay hiseho, tsy azo lavina. Na teo ny faniriana izay narafitra hizorana, Indraindray misy sakana mandrava ny fahatsorany. Mantsy, tsotra sy mahitsy, tsisy lavaka na biloka, Mazava, tsisy pentina, na rahona manaloka, Izay no antenaina, n’iza n’iza te hamaritra, Saingy hafa mihitsy ny lahatr’Andriamanitra! Mandalo sedra avokoa, amin’ny dingana iakarana, Mety hatahotra, ho kivy, te-hiala an-daharana, Satria tena mafy, toy ny miatrika irery, Ny mizaka ireo vesatra, mahatsiarotena ho’ very. Amin’izay, toa tsy hita hoe nankaiza avokoa, Ilay hery sy haravoana nandrandraina teo aloha. Hanao hoe hiverina, ny omaly efa rava, Handroso indray anefa, feno fanahiana lava. Ny tsara indrindra àry dia mitony, maka AINA: Anaty fahanginana no ahitana tsilo saina, Mamerina ‘lay jery tontolo fahatsarana, Manomana sahady izay tiana hiafaràna. Mandalo ihany ny haizina, mitoetra ny Hazavana, Mandalo ny hakiviana, hafa ny Fanantenana. Ka ny mahay mankasitraka, matoky, mankafy, Dia fanomezan-tsoa amin’ny fiainana anjoria!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/ho-sitrana
HO SITRANA
DADAFARAtolotra
Andeha aho hanantena anao, ry tsy haiko mombamomba Hofatorana ny foko, dia haterina any am-ponja Ka gadraina tsy hahita afa-tsy ny endrikao Satria ny trano izay fonenany, nanao azy ankilabao Andeha aho hanantena anao,ry vao hitako androany Andeha hatokako ho anao,ny fivahiniako eto an-tany Raha mbola misy te-hiantsampy, izaho handositra fitiavana Dia ny sandrinao irery, fikirina hanidiana vazana Indray andro mantsy isika, hiara-dia sy hiara-dàlana Izaho fanosoka ny banga, ianao famafy izay mahalana Ka ny saha sy zaridaina, hiarahana miriaria Tondraky ny fiadanana, mirarak'ompana fitia Ka ho sitrana ny ratrako, Rehefa ianao anivon-tratrako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/avelo
AVELO
AORN
Injao manangasanga Sy mitsilopilopy Tazanina toa tsy hita... Avy eo miserantserana Mamolivoly vatana Kasoiny toa tsy tazana Lalovany toa fanina... dia indro fa mivantana Miteny toa tsy fantatra... dia indro fa milentika dia aloka no miatrana... Fa rehefa ela ny ela... Miverina ny saina Nitsidika namangy ilay fanahy avelo zay tonga nieloelo sy nanarangarana tery am-baravarana Avelo ka avelo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/porofo
POROFO
Fredy Jaofera
POROFO Tsy mihavana amin'ny nofo ny fanesoana ; ny fitiavana, mitaky porofo vao inoana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eritreretiko-dia-hadino
ERITRERETIKO DIA HADINO
Fredy Jaofera
ERITRERETIKO DIA HADINO Eritreretiko dia hadino izay nanahirana ahy fahiny fa mbola tsy mampino, hoy aho ange ankehitriny. Eritreretiko dia hadino ny ratra maro notatazana, ry alina !...Ampangino itony sento, na tsy tazana. Eritreretiko dia hadino ny sedra lava nampahory, ry tantara !...Vimbino ny anio hampitondra tory. Eritreretiko dia hadino ilay fitia nokasaina hijoro, ry nivadika !...Banjino ny nofinofy maro fa hikoro.