url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/ry-alina-mangina
Ry alina mangina
eric dgp
Ry alina mangina Hiangaviko ianao mba lalovy ilay malalako Malahelo azy anie ny foko Tsy tafandry re ny vatako Ka mila hitoloko Lazao izy fa izao aty tsy salama Te ahita anazy tena mamanala Mangatsika ny vatako rehetra Mila ny safosafony mila itoretra Ity malalanao tsy mahajery hafa Fa tena babonao Lasanao t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manitatra
MANITATRA
Fredy Jaofera
MANITATRA Manitatra fanahy ny boky vakina hatramin'izay raha mbola sahy, eto mangina, mamaky indray.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/fiainana-lohovava-albatross-miala-sasatra-aho-no-mandinika-natiora-indreo-vorona-mihosotra-fotakhonahona-mi-ankisitrika-toa-tselatra-ireo-mihaza-trondro-misy-ny-miandry-an-tora-pasika-misy-ny-eny-an-tsisin-tsambo-lohovava-ireo-tsy-mikopakopakelatra-f
FIAINANA LOHOVAVA
RHHC
FIAINANA LOHOVAVA (“ALBATROSS”) Miala sasatra aho no mandinika natiora: Indreo vorona mihosotra fotak’honahona, Mi-ankisitrika toa tselatra ireo mihaza trondro, Misy ny miandry an-tora-pasika, misy ny eny an-tsisin-tsambo. Lohovava ireo! Tsy mikopakopak’elatra fa misidina eny fotsiny, Tsisy ahiahy fa ny rivotra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/fehezam-bonikazo-ho-anao
Fehezam-bonikazo ho anao
RHHC
Fehezam-bonikazo ho anao Izay vimbiniko ho tsiahy No atolotro eto izao, Tsy hanadinoanao ahy. Ka na halazo, na ho potika, Na tsy hizara tsiky intsony, Dia 'lay hanitra tsy hilofika, Tsy handao anao akory. Mino koa aho anefa Fa hisy ihany mba hitoetra Ho haingotianao ireo, Ka ianao indray no hanefa Fikoloana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vao-mifoha
VAO MIFOHA
Fredy Jaofera
VAO MIFOHA Ity hevitra ity no mihalohalo vao maraina vao mifoha mbola eto am-parafara : mampianatra ny tononkalo ka tsaroana ho mahasoa rehefa, ohatra, fa tsara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tarehy
TAREHY
Fredy Jaofera
TAREHY Aleoko re izao aparitaka ho anareo tsy misy fetra fa anio dia mbola tsy tara ; tandremo sao voafitaka fa tsy ny tarehy rehetra, manam-pikasana tsara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/tokotanin-daingo
Tokontanin-daingo
RHHC
Ny foko miandrandra hanakatra ny laingo, Maniry hiara-dia, ho loham-bonikazo. Fa ianao no tazako eny, manandratra ahy, haingo, Hitahiry endri-belon-tsiky, haharitra, tsy halazo. Mitoetra manirery aho, lavitra kinendry, Fa dia lasana izy raha niandry ny hatonina, Sinintona hanitra ho avo ilay verony, voatendry Hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/handray-fiovana
HANDRAY FIOVANA
RHHC
HANDRAY FIOVANA Aza matahotra, aza manahy, Ao anaty ao ‘lay Herim-panahy, Iaino am-pitiavana ‘reo ‘zay tandrify, Izay mahatoky Azy, tsy ho very mihitsy. Raha misy tsy nety, ahitsy avy hatrany, Tsy misy tonga lafatra isika eto an-tany. Fa fahadiovam-po no tena takiana, Mitondra fiadanana sy fitoniana. Eny, ny H...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanginanny-hendry
FANGINAN'NY HENDRY
Fredy Jaofera
FANGINAN'NY HENDRY Manjaka ny hadalana mbola tsy hay rarana, tsy izany no mitendry ny fanginan'ny hendry. Mipoitra ny tsy rariny, malaza itony mariny ka indrisy fa mikendry ny fanginan'ny hendry. Mitranga ny kolikoly ka mahery ny devoly, noho izany, ry nendry, ny fanginan'ny hendry. Mitombo ny halatra, iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/mizotra-makaiza
MIZOTRA MANKAIZA
DADAFARAtolotra
Ditsoka ny maso, anatin'ny alina mafaitra Naratranao ny foko, ka manjary tsy miraika Tsy mitempo an-kafa, raha fitia no holazaina Mahantra filaminana,misafotan'adin-tsaina Aiza kay no lahatra, voatondro mba hizorana Iza koa no lamba, fa voatendry hisalorana Mangovitry ny lasa, ny fiainan'ny tontolo Ka akoakon-ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/iny-fa-tonga-daholo-amizay
Iny fa Tonga daholo amizay,
Nosy Malala
Iny fa Tonga daholo amizay, Rehefa malaza Ilay olona iray, Iny fa Tonga daholo amizay, Ireo tsy hita, tsy fantatra hatrizay, Mitory voalohany,mandray finday. Eo fa mivoaka daholo ami(n'i)zay, Rakoto anie ka avy any aminay, Rasoa niaranianatra taminay, Rabe zanakanadahan'ilay namako izay. Miakatra kely ary ny d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiainana-efitra
FIAINANA EFITRA
Fredy Jaofera
FIAINANA EFITRA Fiainana efitra no niainako tany, nampandefitra ny tena sesilany. Fiainana efitra tsy nahitana soa ka nahatezitra rehefa mba voa. Fiainana efitra tsy sahaza akory fa efa hevitra tsy hahitako tory. Fiainana efitra tsy nisy fifaliana, nampirehitra ahy iny fijaliana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/aloka
Aloka
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Sento foana foana No aloka navelan'ny lasa sy ny omaly Mandrava sy manimba ny fiainako androany Namela ratra maro ny foko izay mijaly, Manosika ny tavako irotsaka tomany Manery ahy koa isaona Intsony mihitsy angamba No tsy mba hitony sy hanam-pilaminana Ny andro izay voatendry natolony ahy ho anjarako Raha alo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/nofy-sy-revirevy
Nofy sy revirevy,
Nosy Malala
Nofy sy revirevy, Nofy sy revirevin'ny fianakaviana, Ny tsy hitsahatra ahazo fitahiana, Fombàm-piainana ihany mantsy, Ny mandalo misedra ireo ady mafy. Ny eritreritra entanina hatrany, Ity fiainana ity mivadibadika ihany. Ny nofy sy ny revirevy arahan'asa, No ahatratrarana ny tanjona kinasa. Ampandrevena hatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/manan-kasina-misandratra
MANAN-KASINA MISANDRATRA
RHHC
MANAN-KASINA MISANDRATRA Nanjohy anao teny hatrany ny hasarotan’ireo sedra niainanao tety an-tany, Nitondra tahotra ao anaty, taintaina, tebiteby, tsy hay faritana izany. Tsapanao sy hitanao ny vahaolana mahomby, na tinakom-pahavalo, Niafy ianao, tsy nitroatra, fa niezaka hivoatra, nampiaiky ny mpandalo. Izaho, an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zaka-berthot-randrianasolo/fitia-adala
Fitia Adala
Zaka Berthot RANDRIANASOLO
Fitia adala ny ato ampoko Tsy misy sahala, maro loko Mampifaly sy mapitomany Fa fikiriko na mangidy na mamy Na maro ny mitsikera F’ilay fitia dia miha mitombo, tsy mitsaha-mirehatra, Tsy ho faty mandrak’izay ny ato ampoko Toa nofy, toa tsy mampino Fita adala iainako sy ato amiko Tena mahery, ary tena « kirimo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/ny-hamah%C3%A0na-ireo-fatotra
NY HAMAHÀNA IREO FATOTRA
RHHC
NY HAMAHÀNA IREO FATOTRA Ireo heloka tavela izay tsy rava, tsy mba potika, Dia mangeja ao anaty, ka mila ongotana amin’ny fototra: Fankahalana, Fialonana; Fiampangana, Famoronana; Fieboeboana, Fiavonavonana; Famonoana, Fifandonana; Famasohana, Fifosana; Fandotoana, Fitsarana; Faminganana, Fangejana; Famitahana, F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hafatra
HAFATRA
AORN
Ry voro-manidina irony Avia hanafarako kely Nareo afa-miakatra ambony Hifandray tendro amy Neny Dia mba ilazao Neny izay Tsy hoe manadino aho akory Fa lavitra no misy ahy Manembona sady oriory Tsy mora hono hoe ny mitady Fa sarotra vao mba mahita Ny tenako mbola miady Ny tanjona mba ho tafita Mba lazalazao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/vavaka-fanolorana-namana
Vavaka fanolorana namana
RHHC
VAVAKA FANOLORANA NAMANA Indro ilay namana sendra ny masoko, Fantatrao izy sy ny toetra ato anatiko, Eo koa ny ho sandan’ny fifaneraseranay Sy ny fifankahazona rahatrizay. Omeo fo aho hahay hitia sy hizara, Handray sy hiara-paly, hihaino, hanambara, Hanao ny sitrakao amin-toerana rehetra, Ny voninahitrao anie h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/azonody
AZON'ODY
AORN
Feno tsiky indray ny fony raha nahita ilay malalany efa tsy hitany hatry ny ela Ka nandalo mba nitsidika fa nanembona ny lasany Sy ny tsiaro izay tavela Dia toa nientana tsy nahy nampipongatra indray 'lay fitia zay tsy nandrasany Fa lay tiany mantsy hono, mbola tena tia anazy na nandratra zato lasany... D'io fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/sotasotanolon-tiana
SOTASOTAN'OLON-TIANA
AORN
Misitràha, dia misambàra K’aza avela hirantiranty ny alahelo avy any anaty Fa modia ho falifaly... ho toy ny vorona mikalo Sy misioka vao maraina tsy mba manana taraina... Ka lay kentrin’handrinao farasisan’adim-piainana Fafao mba tsisy hatsikaritra... Dia ny sefosefonao mila haningotra ny aina Isan’andro lava i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/miara-mihirahira
Miara mihirahira,
Nosy Malala
Miara mihirahira, Indro henoko tampoka Ilay hira fahiny, Niaraha niantsa rehefa tafaraka iny, Niaraha nitomany rehefa nifandao, Teo anatrehan'izao tontolo izao . Tsaroina ilay fitiavana nisara toerana, Ny finday moa tsy mbola nianteherana. Ilay Fitia niakindoha, namparary vavony, Rehefa niantsa ilay hira dia so...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetsomamiratra-tsiry-todisoa/izy
IZY
Vetsomamiratra (Tsiry Todisoa)
Mamiko anie izy izay! Tokako lalaiko, sady sombin’ny aiko, Fitiavako mandrakizay! Izy no hany antom-pisiko; Hasambarako eto an-tany, tsy mety lany mamy! Ilay fotom-pifaliako;
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/any-mantsy
Any, mantsy
Narilala
Ary ianao tsy hahatondra … eny, na dia kely akory Mba hataonao vatsin-dalana na ho sira mba hilaofana amin'ny andronao manonga sy hisian'ny mpiari-tory Izay miventy fisarahana…eo ambohitra nilaozana Ary voninkazo miavaka izay nasiana anaranao sy andalan-tonombavaka amin-kira efa fanao no injao miraondraona avy eo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/fiainana
Fiainana
Nisainana RAFETRARIVO
Ity fiainana Ity, toa sarisary ihany Indray mipika mandalo Miserana sy mora lany Mahakivy mahaketraka Mahalasalasa embona Indraindray n'y loha mavesatra Saina mikorontana no entina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/nankaiza-ianao-ry-tsikiko
NANKAIZA IANAO RY TSIKIKO
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Nankaiza ianao ry tsikiko ? Toa nandao izany tavako. Mandrahondrahona ny andro, anefa mibaliaka ny masoandro. Nankaiza ianao ry tsikiko ? Fa ravarava izany endriko ; mamolivoly any anaty any, manaintaina mampitomany. Nankaiza ianao ry tsikiko ? Manetsetra izany vatako ; malailay koa ny maso, mampilatsa-drano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhhc/mihanoka
Mihanoka
RHHC
MIHANOKA Nifantoka tanteraka, naharitra ela teo ny saiko. Nibanjina toy izay ihany koa ny fanahiko. Nibosesika avy any ‘reo ataoko hoe “fahalalana”, Tsy hita hohazavaina, fa kintana mamiratra, mitondra hafanana. Rehefa mientanentana Vao tsapa ny herim-pieretana. Satria, ‘reo tabataban’eritreritra, nifikitra tan-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/ianao-ilay-20
IANAO ILAY 2.0
ANDRY KANTO MENDRIKA
Ianao ilay mameno hazavana Ianao ilay nantenaiko hanovana Indrisy kanefa toa solafaka Saika hitia anao aho nefa tsy afaka Ianao ilay hanorenako Malala ah ! ianao no fanaperako Tiako hiaraka isika roa Mandrakizay dia sambatra tokoa Andrasako ianao mba hamaly Hiaraka isika dia mba ho faly Hiangaly ho tokan-tran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eritreritra
ERITRERITRA
Fredy Jaofera
ERITRERITRA Tsy, hoe, masiaka fa tsy mandefitra hamosahako izao ka atreho : mijaly kokoa isika amin'ny eritreritra noho ny amin'ny zava-miseho.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahasahiranana
FAHASAHIRANANA
Fredy Jaofera
FAHASAHIRANANA Amin'ny saina mahitsy, aza avela eto fa hajao ny nampipoitra fiadanana ; aza hadinoina mihitsy hoe iza no teo aminao fony tojo fahasahiranana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetsomamiratra-tsiry-todisoa/ndehana
'NDEHANA
Vetsomamiratra (Tsiry Todisoa)
‘Ndehana dia sambara f’aza mierika intsony Efa izy no finidinao sy namafanao ny amiko Aza rarahina fa aleo hozakaiko samirery Ny ratram-poko sy ny ngidy izay tsy teliko Eny e… 'Ndehana dia sambara! Aza mierika akory na dia indray mitopy monja Fa… tohizo ny lalanao dia sambara eo anilany Avelao hokaloiko mangiana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/indrisy
INDRISY
ANDRY KANTO MENDRIKA
Indrisy fa tsy mba niangaly Nantsoiko , fa tsy mba namaly Nitomany aho mantsy ny omaly Ny foko dia zatra nijaly Indrisy fa tsy mba miteny Fitiavana ve ? no … alaina Tsy fitia no setrin’ireny Fa fandavana no hany lazaina Ny foko dia efa taraiky Fa ny saiko tsy mety manaiky Alahelo manko , no anton’izao Aza mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanoloran-tena
FANOLORAN-TENA
Fredy Jaofera
FANOLORAN-TENA Voizo mora ny talenta nomena tsaroana mamokatra ; ny literatiora dia fanoloran-tena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/raovina-ary
RAHOVIANA ARY?
DADAFARAtolotra
Rahoviana vao ho levona ny tany izay fonenako? Dia iza koa no hamafa ireto lasa nanenenako? Fa mbola mitomany ilay fo maratrako iny Iza indray no afaka hanatoha ny faniriany? Rahoviana vao tangosako ny tena fahasambarana? Fa ranomaso foana hatreto, ny ao am-baravarana Lavitry ny tsiky, tsy miondam-pifaliana Maha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/ho-ani-zandry
HO AN'I ZANDRY
ANDRY KANTO MENDRIKA
Zandry ah ! taterak’ialahy ny hanatry zoky Nananatra aho ! fa ialahy nanome toky Mahay ialahy ka enga anie ho tafita Ho reharehan’i Neny hianatra any am-pita Manomboka eto tafio ny fahendrena Efa lehibe ialahy ! ka mahaleo tena Na tsy eo aza dada hanambintamby Afaka ialahy ! fa tsy nisangisangy Raha izay mpane...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/tena-tiako-ianao
TENA TIAKO IANAO
ANDRY KANTO MENDRIKA
Tiako ho fantatrao Fa tena tiako ianao Ny foko miantefa Mahatsapa ianao kanefa … Ambarako etoana Dia misy ny fotoana Any aoriana any Mety ho tsapanao ihany Nitomany , nitoloko E! mangiana izany foko Moa ve? Tsapanao Hoe tena tiako ianao Raha to re! sitrakao Ambarao eto izao Tena tiako ianao Moa ve? Tsapa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/efa
EFA
ANDRY KANTO MENDRIKA
Efa dimy taona lasa angamba izay ! Ankehitriny toa niverina indray Fa toa tsy haiko hadinoana Isaky ny hariva dia ianao no tsaroana Malala ah ! ianao tsy haiko hadinoana Ny fitiavantsika tsy haiko ho vonoina Ianao akia efa tsy tana Hoy ianao hoe « izaho tsy tamana » Iny ianao fa tazako Niantso mafy aho « avy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/ny-asako
NY ASAKO
ANDRY KANTO MENDRIKA
Izaho niantsa teny foana Raha misy ny fotoana Moa ve? Fantatrao Ny tononkalo kilalao Mahaiza mihaino ka fakao Halalino ka zahao Fa kilalaon-teny Misy hafatra omeny Raha toa tsy fantatrao Ny poeta tia anao Mananatra ohatr’izao Ny tononkalo no hirao Ny anarako dia tsotra Ny lalako mizotra Ary tsy mba mety r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/tontolo
TONTOLO
ANDRY KANTO MENDRIKA
ILAY TONTOLO VAOVAO MAMPITAMBERINA TSIAHY FIAINAM-BAOVAO TONTOLON’NY FANAHY ANY ALAVITRA ANY NY ELANELAN-TANY FIAINANA HAFA INDRAY TONTOLO MAMPIRAY TONTOLO FIAFIANA TONTOLO FAHORIANA TONTOLO SAMY HAFA NY TONTOLO ANY AN-KAFA NY TONTOLON’NY FANAHY DIA TAHAKA, TAHAKA IZAO TONTOLO MAMPATSIAHY NY ZAVA-BITANAO...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/tamberina
Tamberina
Ny Radontsoa Mamiratra
Tamberina Horohoron’eritreritra manefy ny tsy misy; Oriory manantena nofy ravan’ny maraina; Hariharin’alahelo nasafoton’ny “indrisy”; Nieriery teny an-tsefaky ny tsiky mody hiraina … Tabataban’ny omaly mihaika sentosento anio; Tobitobim-pahoriana natambolin’onjan’ady; Tebatebaky ny saina te-hilamina sy hadio; T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/kolikoly
KOLIKOLY
ANDRY KANTO MENDRIKA
Ry Malagasy ambony Kolikoly ve? Tsy hisy intsony Fa mbola mitoetra Ary tsy voafetra Izao no lazaiko Ary hatsaraiko Kolikoly tsy ilaiko Tsy eken’ny saiko Raha manam-pikasana Ny kolikoly hialàna Raha manam-pahendrena Ny tanindrazanao jerena Mahaiza mihaina tsara Kolikoly ve? Dia tsara Hajanony hatreo Mamp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/vavaka
VAVAKA
AORN
Andriamanitra o! Mivavaka aho anio Ho an'ireo kamboty tsy manan-kantenaina Tsy manan-kitafiana... fa dia miferin'aina mandritra ny androm-piainany... Italahoako Ianao Hitsetra ka hanafaka ny jaly izay niafiany an-taona maro izao Fa tsy tsaroany intsony ny tsiron'ny sakafo mba tena nisambarany... Dia iangaviak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/tiako-ianao
TIAKO IANAO
ANDRY KANTO MENDRIKA
Izao no hany faniriako Tiako ianao ary tena tiako Ny foko no omeko anao Raiso re ! raha sitrakao Hiaraka aminao Hitafa aminao Ny ao am-poko ao Tiako ho fantatrao Tsy izaho no miteny Na mitafa aminao Misy hafatra ombieny Miverimberina ao Hafatra mangiana Hampitan-tononkalo Mampita faniriana Valio raha toa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiaraha-monina
NY FIARAHA-MONINA
Fredy Jaofera
NY FIARAHA-MONINA Na inona ora isentosentoana misy ainga foronina, ny literatiora dia fanehoana ny fiaraha-monina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-asa
TSY ASA
Fredy Jaofera
TSY ASA Ny eto, fotory fa manokatra ainga mora mitsiry ; tsy asa akory ny manoratra fa antso makadiry.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/nofy-ihany
NOFY IHANY
ANDRY KANTO MENDRIKA
Raha vao nifoha maraina Sambasambatra ny foko Velombelona ny aina Tiako ianao , antsoiko Ay nofinofy ihany Fa nitamberina indray Fa tsy nisy akory izany Isika ho iray Tena tiako mantsy ianao Hatrizay , hatramin’izao Dia manonofy anao Isak’alina izao Tsy ny vavako irery Fa ny soratro miteny Taha toa ka taf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/haizina
HAIZINA
Fredy Jaofera
HAIZINA Ny hafatra iray afa-mandavaka ny lalan-kombana : ny fiainana izay tsy misy vavaka, tsy misy hazavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/tsy-afaka
TSY AFAKA
ANDRY KANTO MENDRIKA
Tsy afaka hibanjina ilay ankatonao Na koa hamangivangy anao Tsy afaka hiara-dalana aminao Satria tsy olon-tiako ianao Tsy afaka , fa voadonam-pitia Tia anao aho , ka resim-pitia Tsy afaka hiara-tsambatra aminao Satria tsy olon-tiako ianao Tena resinao akia aho ry malala Ka mbola miandry izay anjara Tsy afaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-olana
TSY OLANA
Fredy Jaofera
TSY OLANA Na mila hibahana ny itarainana ka mampihenahena, tsy olana hovahana ny fiainana fa zava-misy ekena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/ventsom-poko
VENTSOM-POKO
ANDRY KANTO MENDRIKA
Ilay andro harivariva Ny masoandro koa madiva Hilentika izany Hiampita any ho any Ny sento sisa atao Afaka mandeha ianao Aza maditra any ianao rahavako Tsapanao fa, anao ny fitiavako Tsy hiteny betsaka aho Fa mandehana ianao Hisaino izay atao Tsarovy , fa izaho vadinao Na marary aza izany foko Ny tomany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/izaho-sy-ianao
IZAHO SY IANAO
Mahalia❤✨
IZAHO SY IANAO Asa raha tsaroanao ilay fotoana nandrotehinao ny foko? Tsy haiko raha tsaroanao koa ilay isika nifankatia an-tsokosoko Dia niray tsikombakomba hifangalatra fitia Ilay 'ndray Sabotsy hariva...tery Antsaha tery Isika samy tia ka mora nifandrohy tamin'ny topimaso monja Sy tsiky indray niserana,ka namp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/ny-marina
NY MARINA...?
Mahalia❤✨
Tsinjoko amin'ny ranty sy ny sary miparitaka Hoe manga tena manga ny lanitrareo any Tony sy milamina, tsy misy misaritaka Fa kanto mahafinaritra sy lavitra tomany (Ny aty koa tsy hambakain'izany) Fa efa nadiodio 'lay rano izay nitàna Nody ventiny ihany koa ny rano natsakàna Tena afaka fatorana ny adala nogadrain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/raha-sendra
RAHA SENDRA
ANDRY KANTO MENDRIKA
Raha sendra olàna dia aza tomany ialahy anie ! tsy manana dia ataony toy izany Mandefitra ialahy ! amin’ny atao rehetra Izao no tadidio ny fotoana manam-petra Raha sendra tsy fisiana dia aza sahirana Aoriana ialahy ! ahita mangirana Raha manana ialahy ! tsy angataka mihintsy Elah anie ! sahirana dia mahaiza mits...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tapa-kevitra-izy
TAPA-KEVITRA IZY
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Tapa-kevitra izy ny hisinda any ho any, tsy ho eo anivon’ny akany. Hiala sasatra mandritra ny fotoana maharitra, tena dodona tsy aritra. Tapa-kevitra izy hisidina an’habakabaka any, lavitra ny tany. Hanao tazan-davitra tsy ahita ny zava-misy, ny nenina tsy hisy. Tapa-kevitra izy tsy hisaina ny taloha, nahavaky...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/alaovalo
ALAOVALO
Fredy Jaofera
ALAOVALO Alaovalo ny fitiavako anao, na nandalo ka avia anjakao. Alaovalo ny tantara nisy, na very kalo anio re, indrisy. Alaovalo ny mamy tiana, na natakalo teo nangingina. Alaovalo ny fanantenana; na mimalo fa mbola mafana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/raha
RAHA
ANDRY KANTO MENDRIKA
RAHA Raha diavolana ny saiko Sambatra aho ry aiko Raha masoandro mibaliaka izany foko Foana hatreo , ny alahelo sy toloko Raha sendra ka mazàna Eo anilanao Izao toa tamana Ny eo an-tratranao Raha sendra fitsikiana Dia afam-pahoriana Sambatra aho izao Fa eo an-tratranao Raha sendra kitana izany Mitaratra a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/anaty-fononteny
Mahalia❤✨
(ANATY FONONTENY) Napetrako eto fotsiny Mba ho "tsiaro" any aoriana Fa.. Na tsy izaho aza no tompony Sy koa tsy ho olon-tiany Dia mba nandray anjara fototra Tanatin'ilay diariny iny Mba niezaka nanototra Ireo bangan'ny fanihiny Mba nanolo-tanana azy Tanatin'ny ady mafy Nijoro tsy mba satry Na dia sasatry n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitranga
MITRANGA
Fredy Jaofera
MITRANGA Takio ny amboara tsy manadala fa fiovana vaovao ; mitranga ny tsara rehefa miala amin'ny ratsy ianao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/tambanivohitra
Tambanivohitra
DADAFARAtolotra
Raha lazaiko anao ny heviny, mety hino ve ianao Fa ireo tambanivohitra no tena tsara filalao Tsara saina tsy mpamitaka raha sendra manan'olontiana No hany tanjona himasoany, fitia atao fanambadina Izy ireo dia zatra miafy, fanala sy ny danik'andro Tsy mba miavona sakafo, tiany foana izay nahandro Mivary na dia ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/fanantenana
FANANTENANA
DADAFARAtolotra
Voahidiko ny toky,voafefiko ny dina Avelao ny fahasambarako,hiaina anatinao mangina Satria ianao no vavahady, izay hidirako androany Famaranako safidy, mandra-pialako eto an-tany Manana fitia madio,mangatsakatsaka indrindra Miorina amin’ny vatolampy,marina sy tsy hay hafindra Ka n’iza n’iza mety ho aloka,manemba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn0/hetraketraka
HETRAKETRAKA
AORN
Misy tena misy, Ray mba nianteherana Kanefa dia nandao Lay menaky ny aina Zay efa tsisy reny Tsy misy antenaina Misy tena misy, Reny izay niteraka Nitsoaka ity akany Fa leon'ny fahantrana Ka nitady hafa Dia lasana tsy tana Misy tena misy Zanaka ao an-trano Dia sahy manangan-tsandry Lay kibo nifonosany F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/misy-fetrany
MISY FETRANY
Mahalia❤✨
MISY FETRANY Impiry aho moa no namafa Ninia tsy nijery ny toetra ratsinao? Nanamkimpy maso nikosoka ny lasa Nanadino ny fahiny fony aho noratrainao? Impiry koa ny saiko No notereko tsy hitadidy Na saika ho hafoiko hatramin'ny aiko Fony aho nigoka ny mangidy (Teo am-pelatananao?) Saingy moa fanahin-java (tamin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/efa-tsy-namana-vao-tonga-maro
EFA TSY NAMANA VAO TONGA MARO …
AbouNusrayni
EFA TSY NAMANA VAO TONGA MARO … 1.Ny fahafatesana ve no mamoha ny fitiavana, Sa ny soa toavina no mikoroso fahana ? Rehefa handevina tsinona ny namana sy havana, Vao mirohitra maro mameno ery ny lalana. 2.Ilay olona anefa teo niady mafy sy nitolona Niezaka mitraka na dia ny fony hotohoto. Ilay tava-malodava tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/hira-faneva
hira faneva
ANDRY KANTO MENDRIKA
Isika no manetri-tena Fa ny finoana dia fanekena Tompo ô ! inona no tianao atao Hiderana ny voninahitrao 60 taona lasa izay Ankalazaina eto indray Tompo ô ! inona no tianao atao Hiderana ny anaranao Voninahitra ho anay izao Ny niorenan’ny fiangonanao 60 taona nandrosoana Nampitomboina ny finoana Ilay olomas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/ao-anefitranoko
AO AN'EFITRANOKO
ANDRY KANTO MENDRIKA
Hisento lalina aho Ao an’efitranoko ao Tsy hilaza aminao Fa hitia mangiana anao Ny mameno izany foko Alahelo sy toloko Ny tsiky izay ataony Sy ny zavatra fanaony Manaiky izany fo Raketiko ato am-po Tsy hilaza aminao Fa hitia mangiana anao Ao an’efitranoko ao Hisento lalina aho Tsy hilaza aminao Ny fitiav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-kanto-mendrika/ilay-andro
ILAY ANDRO
ANDRY KANTO MENDRIKA
ILAY ANDRO NITOERAKO TOA RAKOTRA NY TANY ILAY ANDRO TSY NOFERAKO NAMPIROTSAKA TOMANY ILAY ANDRO NATENAIKO HIARAHAKO AMINAO SAINGY NIALÀ NY AIKO NA DIA MBOLA TIA ANAO ENY AN’ABAKABAKA ENY! IANAO TSY AFAKA NY HO ENY MITAZATAZANA ETŸ MAHATSIARO ILAY FITIA ANGAMBA TSY HO SANATRIA FA EFA RAVA ILAY FITIA ILAY A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dimbirazantsoa/rahoviana
Rahoviana?
Dimbirazantsoa
Ataovy am-po fa ny ampitso Toy ny androany, mbola hisy Fitia tsy resin'ny fotoana Na hisesy koa ny taona Koa, Ianao no herany sakaiza Rahoviana ary hatraiza? No hitoeranao hanjaka indro ny foko ataonao Lapa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/tiavina
TIAVINA
TSY RENDRIKA Spica
Tiavina amin'ny fo na mety tsy ho anjara Sitrany voarakitra anatin'ny tantaran' ny niaradalana aminy, Notiaviny sy maminy ... Fa manko ny miaraka tsy voatery haharitra Ka raha mba misy monja fotoana mahafinaritra Hiarahamankafÿ dia... Hifaliana akia... Ny ampitso akamantatra fa iaino aloha ny anio Raha misy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dimbirazantsoa/hira-vitsivitsy-playlist-l1212
Hira vitsivitsy
Dimbirazantsoa
Raha any andro ianao ahatsiaro Hanembon'ireo ora maro Niarahana nifaly Niizara ireo mamy Dia indreto ny hira vitsivitsy izay nandravahantsika Ny dia sy ny alina mangina Nifankatiavana ry tiana Playlist: https://www.youtube.com/playlist?list=PLB2Ul8mdpos4SSbzHAleokZwA6N4Xetrb
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/diso-lalana
DISO LALANA
DADAFARAtolotra
Hafa ny taloha, f'izao aho efa tofoka Leon'ny robo-potaka sy vovoka mibofoka Ny fahalafaranao izay nanaitra ny ambom-poko Feno fahatsarana ka dia mba nobodoiko Nataoko ho voninkazo mba hanaingo zaridaina Noheveriko ho kafe, ka hoe sotroina isa-maraina Hay mangidy mantsina, mafaitra tsy hay atelina Soa vao nanomb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahaterahani-kristy
FAHATERAHAN'I KRISTY
Fredy Jaofera
FAHATERAHAN'I KRISTY Fahaterahan'i Kristy, fahateraham-pamonjena mampitraka ny mania nambara ho mahonena. Fahaterahan'i Kristy, fahateraham-piadanana mbola fe o ilay fitia ho an'izay tsy manana. Fahaterahan'i Kristy fahateraham-pahazavana tsy manaloka ny dia fa ahitana fahagagana. Fahaterahan'i Kristy, fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dimbirazantsoa/ray
Ray
Dimbirazantsoa
Ray! Tafio ny Fitiavanao Ho ambinina amin'izay atao ity ray malalanay Omeo tanjaka sy hery hamitany ireo adidiny Bitsio azy fa tsy irery, misy Anao hialoha ny diany Dia ny enim-polo taona tena isaoranay anao Andrandrainay hitsingerina ny fotoana tahak'izao Ary amaranako azy, indro misy teny farany Tehirizo iha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/embona-mafaitra
EMBONA MAFAITRA
DADAFARAtolotra
Ampisentoana lalina,midongy te-hanantona ny foko adaladala Andro be migaina lazainy hoe fanala, Jamba rehefa tia,tsy afaka mijery ny lafiny ankiroa Mangotsoka ny fo Mivezivezy fatratra fangaro anaty jery fa lalana vaovao No indro hizorako ao Embona mafaitra,dinitra miavosa mahery vaika loatra Mbetika ahy mitraot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/avelanao-ve
AVELANAO VE?
DADAFARAtolotra
Avelanao ve hanantena,amin’ny ho avy tsy hay faritana? Avelanao mba hanaranto,na koa hamovo sy hamitana? Ny fahafahako ato matsy, toa mahatra mahonena Tsy mba ara-bola kosa fa, fitiavana sy fahendrena Avelanao ve mba hanatona,ao am-ponao ny fitiavako? Moa manaiky va ianao,ho atao mpamahana ny vavako? Noana fihada...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hetsika
HETSIKA
Fredy Jaofera
HETSIKA Izao re no tetika mitandro fivoarana tsy mila anjona : manaova hetsika isan'andro mankany amin'ny tanjona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetsomamiratra-tsiry-todisoa/dieny-mbola
DIENY MBOLA....
Vetsomamiratra (Tsiry Todisoa)
Aza hiandrasana efa dify Vao hanome ny mamy ho azy Mba tsy hotonga ny hoe indrisy! Ka ho latsa-nenina sy hisazy Aza avela handalo fotsiny Ireo fotoana hananana azy Fenoy fitia tsy sombiny Dieny mbola mafy orina ny tady Tiavo izy dieny mbola eo Sao anio no fetra farany F’aza hiandrasana efa leo Vao hanaiky ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/tononkalo
Tononkalo
honenantsoa
Tononkalo no vetsoiko Hitondra hery fa tsy ho toloko Hampiala sasatra eran-tany Mampifaly raha toa ka tomany Tononkalo tsy ho foana Na mandalo ny fotoana Fa hampiaina nofy anao aho Poeta Hivimbina soratra tsy ho voafetra Tononkalo mitantara faniriana No hoentina handresen-dahatra ny tiana Raha tsy mbola mifan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/meteza
METEZA !
DADAFARAtolotra
Meteza mba hiaino salasalam-pitarainako Meteza mba hikolo sy hanasoa ny zaridainako Meteza ho fanilon'ity maso tsy mangarika Meteza mba hividy sy hanatoa 'zay adivarotra Meteza miara-monina amin'ny saina tsy mamitaka Meteza miara-dalana amin'ny foko feno bitaka Higoka fahasambarana eny anivon'ny tontolo Fa ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/iny-tsikitsikiko-iny
INY TSIKITSIKIKO INY
DADAFARAtolotra
Iny tsikitsikiko iny, tsy hoe tsikim-pifalina Fa tsiky fanaroman-dratra,izay mikiky an'aho mangina Tena tsikim-paharesena, tsy mihebo ho mahery Tsy mba tsikim-panafody,fa olatra manakom-pery Iny tsikitsikiko iny, dia tsiky dobon'ny tomany Tsiky marim-pijalina,izay hiainako eto an-tany Fihomezana tsy sazoka, himol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/ianao
IANAO
DADAFARAtolotra
Andeha alaiko namana any, hono izao tontolo izao Dia izy no hilazako, fa tena tiako loatra ianao Na ny lasa na ho avy, mbola tsy azoko visaina Dia hampahafantariko azy hoe ianao no zaridaina Ho bitsihako ny kintana, fa ny volana tenenina Babonao ny amparahatoko,tena tsy azoko hafenina Ka ny androm-pahavelomana, h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/fanalahidy
FANALAHIDY
Mahalia❤✨
FANALAHIDY Lavolavo kely ianao fa saraka mpandrotsy Dia namoimoy fo fa nilaozana mpananatra Fongana sy ritra irony fanomezan-toky ...saingy Mitrakà aloha,fa ny ampitso mbol'ankamantatra Ekena hoe marary ilay tiana fa tsy anjara Matetika tsy lefitra ireo hirifirim-pery Fa havadiho ny pejy dia soloy izay tsy tsar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetsomamiratra/alao-hery
ALAO HERY!
Vetsomamiratra
Mazàna ianao taraina fa hoe ory sy mijaly Rakofan’aizim-pito ka tsy mba mety faly Tandrifin-drahon-dava ilay masoandrokelinao Toa sampona avokoa izay kinasa hoe atao Saingy izao: Aza kivy foana na hoe handeha hamoy fo Fa hampanjakao amin’ny fiainanao I Jesoa Dia hotsapanao ny fifaliana sesehena Ary hamiratra am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/mifona-lainga
MIFONA LAINGA
DADAFARAtolotra
Takariva maizim-bolana,no sendra tompi-masontsika Ranonjavona fanala,tsy nahatsapa nangatsiaka Voalaza tao fa tsisy ny olana,raha isika hiara-droa Samy vonona hanandratra,ka hanorina tamboho Vitsy monja tany afara,tafaray fandrina isika Saika higoka fahasambarana,t'anaty haizi-manjopika Tsy nanaiky anefa ianao,fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lyandy/ilay-fitia
ILAY FITIA
Lyandy
Ilay Fitia, Io ilay teny renao matetika, Mandrendrika ny fo, mahajamba ny maso koa, Io ilay teny manadala nefa ahitana hafaliana! Io koa ilay tsy mampahita tory, mamohafoha isan'alina, Mampivandravandra anaty haizina, Mampahita sary tsy hay fantarina! Io ilay mampamoifo rehefa diso fo fiantefa, Io ilay mampangi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/voafitakao
VOAFITAKAO
DADAFARAtolotra
Aiza zao no misy tany lonaka azoko volena? Aiza zao no misy fo tena manam-pahendrena? Satria kay raozy misy tsilo ilay fiotiko fahiny Adala mihitsy ianao ry foko, nifidy an'iny lalana iny Ka dia mahazo mitomany! Sa ve jamba rehefa tia dia tsy afaka naminavina Sa ve sambany nitia dia nizotra toerana mangina Tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/hiverina
HIVERINA
DADAFARAtolotra
Azafady akia malala a ! tena miala tsiny indrindra Ny fafy izay natsatokao,aleo ezahako hafindra Hataoko an-taninolon-kafa,fa any ilay mpikarakara Izay mpikolo fambolenako,sady hinoako hoe anjara Ka tsofy rano aho fa hiverina ! Soa ihany isika roa fa, mbola teny antsasa-dalana Soa ihany ihany koa fa,’lay fafinao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-andro-lany
NY ANDRO LANY
Fredy Jaofera
NY ANDRO LANY Ny andro lany taminao hatramin'izay, mivoy hatrany fitia kanto anankiray. Ny andro lany tamin'ny sedra maro, andry eto izany tadidy vao mahatsiaro. Ny andro lany tamin'ny olana rehetra, nisy tomany tsy mba nampitoetra. Ny andro lany tamin'ny androntsika dia any ihany no sady mahasariaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/fitiavana-afenina
FITIAVANA AFENINA
DADAFARAtolotra
Misy volana mazava ao ambadiky ny rahona Misy mamy tafasitrika ao anelakela-bahona Misy fo midobodoboka tena tsy azoko sakanana Hay fitiavana afenina midongy haka fiadanana Misy saina mifanjohy somary tia mitoka-monina Misy jery anaty haizina, ny anaranao voatonotonona Misy maso tsy manaiky, mitazana tsy mahay ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/indray-andro-any-2
INDRAY ANDRO ANY 2
DADAFARAtolotra
Indray andro ianao handositra ao anatin'ny fitiavako Dia tsy ho zakanao mihitsy ilay hoe hanatrika ny tavako Fa ianao sy ny fitiavana niriko loatra tamin'zany Hay kay ngidy sy mafaitra ilay no heveriko ho mamy Ka dia tena nisambarako! Indray andro any mbola ho levona,ireo voady izay voahidy Dia ho tsapanao angamb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lyandy/tsy-resy
Tsy resy
Lyandy
Maraina ity ny andro, andro vaovao no diavina, Tsy maintsy miarina am-pandriana noho izato fitadiavana, Fitadiavana ny soa sy ny mendrika ho an'ny tena, Ary koa fijerena izay mba ho an'ny firenena. Tafiana ny herim-po, atao nofy ny hakiviana, Na dia hoe malaina koa , tsy maintsy eo ny fihafiana. Ambony hatrany iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/asio-kotrana-kely
Asio kotrana kely,
Nosy Malala
Asio kotrana kely, Asio kotrana kely ry mita be, Any aminao mantsy ny lakilé, Asio kotrana kely fa kely sisa, Tsy miverindalana raha tsy tafita. Asio kotrana kely ny fahasahiana, Handositra ho azy ilay hakiviana, Asio kotrana kely dia ho tafavoaka, Ho tapidalankaleha ny mpanararaotra. Asio kotrana kely lay fah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-noely-fahazaza
NY NOELY FAHAZAZA
Fredy Jaofera
NY NOELY FAHAZAZA Ny Noely fahazaza dia velona ombieny mbola mba sahaza fa mamy lavareny. Ny Noely fahazaza dia tsaroana indray misy, hoe, mifohaza izay haravoana izay. Ny Noely fahazaza dia tantara monina, na tsy misy milaza anio fa tsy foronina. Ny Noely fahazaza dia tontolo kilalao, na efa tsy hita az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/sary-an-tsaina
SARY AN-TSAINA
nofinofin'ny saina
SARY AN-TSAINA Rehefa mandalo miserana ianao, Lasa haingam-pamindra ny dian'ny foko. Mahita ny akantonao tsotra toy izao, Izay vitan'ny saiko sary hosodoko. Indrindra akipiko ny masoko roa, De...Tazako foana fa kanto dia kanto. Dia tombatombanan'ny saiko ihany koa, Izay feonao toa milantolanto. Izany ianao ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zava-misy
ZAVA-MISY
Fredy Jaofera
ZAVA-MISY N'inona n'inona no mibahana izay itarainana fa nahazo jaly tsy hay fefena, tsy olana tokony hovahana itony fiainana fa zava-misy tokony hekena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mitroatra-tsy-tanty
MITROATRA TSY TANTY
AORN
Banjinina soa madimadina Tomefin’ny hatsaran-tarehy Ravahan’ny tsiky malefaka Dia indro fa mientana anaty Fa mila hitroatra tsy ho tanty Topazako alavitra kosa Lay kanto marevaky ny aiko Tsipalotra sendra mandalo Dia iny fa midobodoboka Lay fo tsy nahatanty fa roboka Refesiko an-tsaina miserana Fa saingy tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-maintsy-ikipiany
TSY MAINTSY IKIPIANY
AORN
Miala vao maraina Handeha hiatrik’ady Toa… reraka sahady Ho aiza ndray no haleha Mba hitadiavana asa Hanentsina zay lasa? Dia indro ilay ranamana Mirondrona toa fanina Handeha hitady hanina Fa maro ny ao an-trano Tsy Mbola nisakafo ka dia mitanina afo Tsy maintsy mba mivoaka Mitetitety toerana Mandalo sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lodin-andriamanitra/ity-tany-paradisa
Ity tany Paradisa
Lodin Haroniaina.
Ity tany Paradisa. O ry olombelona eto an-tany Mba saino kely ihany Fahaiza-miaina no ilaina Dia ho mamy ny miaina ety ambonin’ny tany Fa tsy any an danitra any Tontolo tsara tena tsara Ho an’i dimby sy ny fara Zava boary lavorary No nomen’ilay nahary Sanatria ilay oe maloto Izay Novolena tato am poko Ka h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/mijotra-makaiza
Mijotra makaiza,
Ilay FANAMBY
Mizotra makaiza ty foko Ny rehetra jereko toa mamofo Dia lay fitiavana mirona Miainga tsimoramora Mizotra makaiza kay ireny Fa toa lasa tsy an-tery Tsy mionona ho irery Fa mitady fangalampiery Mgzotra makaiza re! Fa de lasalasa eee! Tsy mitana izay efa ananana Fa mahita foana ny tsy isaharana Mizotra makai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/zonny-ankizy
ZON'NY ANKIZY
AORN
Ialàko tsiny aloha androany Raha toa hiresaka masiaka ary tena hampiaka-peo tsy hitsitsy voambolana Hilazako ny ato anatiko Ka ambarako anareo Dia nareo izay mpiandraikitra Sy mpitondra fahefana Ireo mpandidy sy mpanapaka Manoloana ireto ankizy Tsy mahazo ‘zay mba zony Fa mirenireny miahaka Rariny ary ve ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/malahelo-mafy
MALAHELO MAFY
DADAFARAtolotra
Tratravatravan-dranomaso, manivatsiva anatiko any Izao sy ny amin'ny fahiny Nankaiza kay 'lay silako iny? Tany lonaka mamokatra, feno zaridaina manitra Izay fonenanay taloha Moa ve fongana avokoa? Ny tomaniko rehetra, nahafeno dobo fantsakana Heverinao ho fahadalana Mety ho sitrana rahampitso ! Karazan’embon-m...