url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rehefa-eo-i-dada | REHEFA EO I DADA | AORN | Rehefa eo i dada
Dia feno tsy andrimbinana
Ny hafalian'ny zanaka
Satria tsaroana foana
Fa misy ray mpiaro
Tsy mahatsiaro lanaka
Rehefa eo i dada
Misinda ambony ihany
Ny adin-tsain'i neny
Satria tadidy hatrany
Fa dada no mamatsy
No sady henoin-teny
Rehefa eo i dada
Dia izy no mijoro
Ho lohan'ankohonana
Mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nony-lasa-ianao | NONY LASA IANAO | Fredy Jaofera | NONY LASA IANAO
Nony lasa ianao,
atahorako ny hatsiaka
no hamely izao
ho mafy sy masiaka.
Nony lasa ianao,
atahorako ny hangina
izay manavao
anio rehefa tsindriana.
Nony lasa ianao,
atahorako ny ho banga
ny tsiky tao ho ao
satriko foana hitranga !
Nony lasa ianao,
atahorako ny ho irery
ny fo tsy nandao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/krismasy-isika-anio | KRISMASY ISIKA ANIO | Fredy Jaofera | KRISMASY ISIKA ANIO
Krismasy isika anio
nefa izao no tadidio,
maro no any an'ady
mbola mifampitady.
Krismasy isika anio
nefa andeha tsiriho
ireo olona mitrongy
tsy afaka miidongy.
Krrismasy isika anio
nefa mbola itodiho
ireo tonga traboina
raha ilaina koloina.
Krismasy isika anio,
mandehana ampio
izay m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-vidiny | TSY MISY VIDINY | Fredy Jaofera | TSY MISY VIDINY
Tsarovy izao, re olona,
aza ekena tsy fidiny
fa tsara hotoazana :
raha tsy misy tolona
dia tsy misy vidiny
ny fahombiazana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/tandindonao | TANDINDONAO | Mahalia❤✨ | TANDINDONAO
Tsy sasa-mivahiny
an'eritreritro ao
'lay endrikao sariaka
miambozona hatsarana
'Lay bika tsisy tsiny
toa felam-bony vao
tsy hahitan-tomika
fa mamiratra mazàna
Dia indro fa tomoetra
namela dindo tsy voafafa
noho ianao aho dia poeta
(lasa)tia mihira sy miantsa
K'hatrany anaty tononkira(ko)
dia s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/o-fitiavana-io | IO FITIAVANA IO | DADAFARAtolotra | Manaiky tsy an-kisala ny zavatra tsy vitany
Mandeha an-tsokosoko amin'ny lalan-tsy fahitany
Toa zary lasa jamba rehefa tena miaraka aminy
Ka sahy misalo-damba ,tsy azy akory fa nindraminy
Rehefa tena misy!
Tsy mba marin-toerana mpifindrafindra lasy
Tsy mahay mifidy penina toa ravin-taratasy
Afaka manoratra mandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aikatriniaina/mpivahiny-izao-sy-ianao | ✍MPIVAHINY IZAO SY IANAO ✍ | Frederic Rnf | ✍MPIVAHINY IZAO SY IANAO ✍
Ny fiainatsika eto an-tany
Dia Tsy aharitra mandrakizay
Fa mandalo sy miserana ihany
Satria mpivahiny izaho sy ianao
Koa mahaiza ary manararaotra
Miheza manao ny tsara hatrany
Mahaiza mivahiny eto an-tany
Ka tsy hanenina indray andro
Maro ny zavatra mety mafinatra anao
Kanefa izao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tadidiko-foana | TADIDIKO FOANA | Fredy Jaofera | TADIDIKO FOANA
Manoloana,
mivezivezy ny fanahy
sy misy fahatsiarovana ;
tadidiko foana
hoe iza no nijery ahy
fony aho fadiranovana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/karazana-mpitolona | Karazana mpitolona, | Nosy Malala | Karazana mpitolona,
Ianao ilay mpitolona eto amin'ny tambazotra,
Mihainohaino eo, fa tsy mahasahy mitrôtra.
Sasamiandry, inona'ndray ny tetika,
Manontany tena hoe toa tsisy mihetsika!
Ianao ilay miandry antso, dia lasa mitolona,
Vonona hatrany tsy matahotr'olona.
Vao mahazo tombotsoa anefa dia lasa izao,
Tsy mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiantraikany | FIANTRAIKANY | Fredy Jaofera | FIANTRAIKANY
Ho an'ny sasany toa faikany
zary lasa ankilabao
eto amin'itony tany ;
raha tsy misy fiantraikany
amin'izy ireo ianao,
aza malahelo izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/revinny-fo-torotoro | REVIN'NY FO TOROTORO | AORN | Inay aho mba voromanidina
dia afaka miakatra ambony
Hisinda tsy hifangaroaro...
dinganiko im-polo mandingana
Ny alavitry ny eto sy ny any
Hahita 'lay tiako amin'ny maro"
Inay aho mba lamba firakotra
hitafy sy hanafosafo
lay bikanao soa sady kanto...
Hiampify sy hamatopatotra
Hikisina tena maharitra
Hisitrak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-andrianina/ny-vehivavy | Ny vehivavy | Andry Andrianina | Tsy takatrao ho sainina
Ny sata ijoroany
Na hita ho refesina
Ny tanjona imasoany
Na hirika iheverana
Izay hery isalorany
Na ny gidra iaretany
Saingy ilofosany
Ny vehivavy tsy akory
Raha hoe fanaka malemy
Dia ho nilaozan-tsata
Sy vina nokendreny
Ny tanjona ifantohany
fa teny efa nomeny
Hasambaran'ny ankoho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ilaiko | TSY ILAIKO | Fredy Jaofera | TSY ILAIKO
Betsaka ny tantara fy
no efa fahasoavana
fa na inona atao,
tsy ilaiko ity fiainana ity
raha tsy misy fitiavana
sy tsy misy anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/avelao | AVELAO | DADAFARAtolotra | Avelao ny ranomasoko,hipatrak’eny handena tava
Avelao ny androm-piainako,hanjombona eny tsy hisava
Avelao ireto foko,hiaina anaty fijaliana
Avelao ny dradradrako,hiteny foana tsy mangina
Eny akia ry ‘lay mpamitaka,ry mpandrava fihadanana
Hirariko ho anao ny soa,amin’ny lalana andehanana
Ka ireto fijaliana,hiliman... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fidio | FIDIO | Fredy Jaofera | FIDIO
Ny ranomaso aloha fafao
ka atsaharo tsy hisy indray
na kendreo koa mba hihena ;
na inona na inona olanao
dia fidio ny matoky ny Ray
fa ho avy Izy sy ny famonjena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/sitrana | SITRANA | DADAFARAtolotra | Efa sitrana ny tany ilay notsahanao taloha
Efa vita asa mihitsy, dia nanorenana tamboho
Ary atsy ho atsy kely, dia tsatohana fitiavana
Ka ho zaridaina manitra, feno loko maitso mavana
Ao anaty sahany ao !
Tsy mba azonao tsidihana fa feno lolo sy tantely izay mpiambina tanàna
Ka tsy hamela velively ny vohitr’ao ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/raha-nampoizina | Raha nampoizina | eric dgp | Ra nampoiziko hoe tsy hitoy ity fitiavan tsika
Fa nofy indray niserana
Dia naleko tsy nandray akory ny fitiavanao tsy isian ny disadisa
Naleoko noferena ny foko tsy nitia anao
Ra nibaby fahoriana toy izao
Ny toetranao tsy tantiko
No mandratra ny atiko
No.mitarika ny feriko
Mampitombo ny aretiko
Tsy tsapanao ve... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aleveno | ALEVENO | Fredy Jaofera | ALEVENO
Aleveno
any an-jaridaina
ny alahelonao
dia ho feno
tsy tambo isaina
'reo toky vao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ilay-tiako | ILAY TIAKO | AORN | Tena tiako ianao
tsy hoe am-bava ihany
Fa lentika any anaty
Ka n'iza te hisompatra
hanaisotra an'izany
dia sahy manangana ady
Fa tokiko ianao
Na aiza na aiza alehako
Tsy foiko hatakalo
Ka n'iza te hisalotra
Ny toerana ato am-poko
Ho lasa fahavalo
Fa heriko ianao
Tsy hoe an-katerena
Fa amy feo tsy miambatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-andrianina/ialahy | Ialahy | Andry Andrianina | Ialahy hono letsy
Mazàna toa mamangy
Ny habakin'ny nofiny
Tazany matetika
Mandravaka ny misiny
Na aza toa kisary
Handalo fotsiny ihany
Hainy ankamamiana
Mantsy ny mitia
Ny fitia fihafiana
Ialahy letsy hono
Na manin-toera-kafa
Lafatra voatondro
Satriny havily
Ny lalana hifanojo
Mantsy ialahy hono
No toka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanasitranana | FANASITRANANA | Fredy Jaofera | FANASITRANANA
Ny hoavy, azo ananganana
haravoana mijoala
fa aoka izao hazava :
raha mitady fanasitranana,
aleo kokoa re miala
tamin'ireo nandrava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsiaro-fitia | TSIARO FITIA | AORN | Miserana ambony mitazana
Toa aloka zary mandalo
Mamerina indray irony lasana
Ilay tsiaro fanao kalokalo
Fitia tsy mba zatra tambazana
Fa fo mifangia manan-tompo
Tsy tsako mialoha ny vazana
Fa hery miampita miloko
Dia mierina foana ny taona
Fa izy tsy miova, tsy miofo
Fitiavana lavitra saona
fa tiana malalan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/androany-sisa | Androany sisa... | eric dgp | Androany aho sisa no hitomany farany
Hanapa-kevitra ny hanadino ny fitiavany
Sy hamafa ireo lasany...
Handao anao ity foko mbola tia
Hamadika ilay voady hoe
Hiaraka ho doria
Tsy sanatria hoe tsy tia anao intsony
F'izaho no mahatsapa tsy tiana
Ka mibaby fahoriana.
Tsy tsapanao mantsy ny fitiavako
Ka noraisinao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/zandrim-bady | ZANDRIM-BADY | DADAFARAtolotra | Adaladala ianao ry foko,manaiky ny hivalamparany
Miantso foana tsy an-kiato, manonontonona ny anarany
Ka namboraka fitiavana, mandraraka ny teny mamy
Nefa kosa dia tsy lahatra,fa mbola sompatry ny tany
Naninona ary isika roa no izao vao tena tafahaona?
Ny foko anefa manan-tompo, no sady mbola tsy misaona
Dia indr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/fotsiny | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandrosoa | MANDROSOA | Fredy Jaofera | MANDROSOA
Inty aloha
voizo dia hiseho
ny rindra ao ho ao :
mandrosoa
miaraka amin'ireo
mampandroso anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/inoako-2 | INOAKO | Fredy Jaofera | INOAKO
Inoako ny Avo
amin'ny zava-drehetra
fa tsy nandavo
fony mafy no nitoetra.
Inoako i Jesoa
amin'izay tontosaina
fa Izy nahasoa
raha mba tantaraina.
Inoako ny anjely
amin'ny anjara ratsy
fa aro tsy kely
miahy amin'ny vatsy.
Inoako ny vavaka,
na ahoana na ahoana,
fa tiana hihataka
'reo sedra teny foa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/misy-hery | Misy Hery | Hajanirina Mahavaly | Hery iray mifono mistery
Hery tsy hita maso fa miery
Hery mitondra hafaliana ihany
Hery koa mandrotsaka tomany
Hery mampifankatia tokoa
Hery mampitony ratram-po
Hery iray tsy hay tohaina
Hery mety haningotr'aina
Herin'ny Fitiavana afo mivaivay
Mandoro sy mandratra raha tsy mahay
Mahasambatra raha toa ka voako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/soava | SOAVA | AnjaraNivo | Ny hafatra kely navelany hoe:
"Tiavo izay mbola ao afara,
Ny antsika fo tia fa tsy anjara
Ka tsy afahana mihoatra ny fefy.
Areno izay hita tsy nety,
Dia mahaiza mikolo fitiavana!
Ho tojo izay azo hiantsapazana anie
Ny fonao noratrain'ny fahiny.
Ho lasan'izay ny hirifiry!
Ny tso-drano koa zava-mahery.
Ny Andri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ekeo | EKEO | Fredy Jaofera | EKEO
Isan'andro, avelao
ny fahakiviana
aman-toreo ;
raha lavina ianao
na tsy tiana
dia ekeo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/isika-no-taloha | ISIKA NO TALOHA | DADAFARAtolotra | Miredaka firehitra ,manakatra vovonana
Mianika tamboha tsy miandry izay an-tokonana
Fa miditra an-keriny tsy azonao sakanana
Satria fony izy teo,dia nigoka fiadanana
Indreo fa mifanjohy an'eritreriny any
Tsy nety nanadino mbetika mifanontany
Nakaiza teo 'lay silako toa olona hafa foana
No indro misakambina mijor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/ratram-po | Ratram-po | RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste | Ratram-po isan’andro
No hiainana eto an-tany
Tsy mba misy raokandro
Mahasitrana izy izany
Vao mikisaka ny sengondra
Ka mitambatra ho minitra
Ny fo toy ny bomba
Ny saina mila hipanika
Ratra feno takim-pery
Sady mahamaivay
Ny tena tsy manan-kery
Fa toy ny mamon’ny divay
Ratram-po feno farasisa
Ka miandry iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/porofo-mivaingana | POROFO MIVAINGANA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Porofo mivaingana eo amin’ny mpifankatia,
ny orokoroka mamy ;
mifampisakambina, mivoady ny ho doria,
manorina akany.
Porofo mivaingana ny tokantrano sambatra,
ny firaisam-po sy saina ;
irin'olona fa tsy maniry olona, no atao filamatra,
ho an’ny menaky ny aina.
Porofo mivaingana ny fiarahamonina mirindra,
ny fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ahitsio | AHITSIO | Fredy Jaofera | AHITSIO
Rehefa te hahalala
izay tokony hatao,
na misy mikendry,
aza manitsy ny adala
fa ho halany ianao
fa ahitsio ny hendry. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahaliana | MAHALIANA | Fredy Jaofera | MAHALIANA
Tsapa mahaliana
anio raha zaraina
eto vao mamindra :
ny olona mangina
no manana saina
mafy indrindra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/le-myosotis/inty-mitady-anao | Inty mitady anao | Le Myosotis | Mbola inty mitady anao eny an-dalam-pahantrana
sy eny an-tsisin-dranomaso sy eny amorona nombàna
ilay notiavinao fahiny, ‘lay malalanao ihany,
nefa tojo rendrarendra ary randram-bao nandalo,
ka nirosoroso foana eny an-dalam-pahavalo
feno latsa sy tomany.
Mbola injao mamelovelo eto an’eritro fihinina
‘lay indray ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elie-rajaonarison/midina-mora | Midina mora | Elie Rajaonarison | Midina mora mameno ny saiko
ny fahatsiarovana
manafosafo ny sandriko izy
rakofan'alin-kelin'ny làlana niarahana
ary te hamihina ahy ny eritreritrao
saingy voasingotra ny lambany
Tampotampoka teo
vonton'ando ny maso
vonton'ando ny fo
Ando feno Aina
Midina mora
mameno
ny Misy
manaikitraikitra ny atifanahy ..... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/mpanakanto-hono-izy | MPANAKANTO HONO IZY! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | MPANAKANTO HONO IZY!
mpanakanto hono izy
... amin'ny teny sy ny soratra
ka mandrafitra izany
ho lasa tononkalo
mpanakanto hono izy,
.... amin'ny talenta sy ny feo
ka mivetso tononkira
ho tonga kalokalo
saingy etsy ange ianao e!
tsy izany anefa izy iny,
fa ilay hafahafa toetra,
tsy hita ho atao môdely
toa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/fahatsiarovana | FAHATSIAROVANA | nofinofin'ny saina | FAHATSIAROVANA
Rehefa akipiko ny masoko roa,
Misy fahatsiarovana iray tsy mba maty.
Ilay bika sy endrika kanto tokoa,
An’ilay zanak’olona mafatifaty.
Haviliko ihany ny saiko rehetra ;
tsy hieritreritra fa ‘ndrao latsapaka,
kanefa aza maika miha-mitoetra
sahala amin’ny sarin’ny tombokavatsa.
Ny bika aman’endri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haja-pim/dimy-dimy-folo | Dimy-Dimy, folo | Haja Pim | Vitao ny dimi-taonanao, ka efao
Aza asiana fery be, raha azo atao
Mba asio sombintsombiny ho an'ny maro
Oe mba namela ihany ianao, ho tsiaro
Raha ilay dimy lasa teo aloha, dia hirifiry
Zary hantsana lehibe sy mankadiry
Ireo velirano maro, izay natao
Toa tsy niserana akory dia nandao
Misy ireo nisafidy, mananten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/merci-hatrany | " Merci" hatrany, | Nosy Malala | "Merci" hatrany,
Dimy faran'ny mahantra hatramizao,
Madagasikara eran'izao tontolo izao.
Ireo tena sahirana maro isanjato,
Ny kolikoly mandifotra tafo....
Faly Dia faly ireo milaza nandresy,
Ambonin'ireo fitoriana nifanesy,
Ny Noely moa ity efa ho avy,
Ny laoka mila atao matavitavy.
Ho avy koa ny taombaovao,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/torio | TORIO | Fredy Jaofera | TORIO
Foany re ny fanginana,
na dia mafy ny milaza
inty tsy hita lany :
torio ny fahamarinana,
na dia olona iray aza
no manaiky izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetsomamiratra/satria-tia-aho | SATRIA TIA AHO | Vetsomamiratra | Leferiko ny ditra, ny hitsakitsakao ry tiako
Leferiko satria ny anilanao no hany fifaliako
Na mazàna mampirotsaka tomany
Tsy maninona hiafiko, holeferiko eto ihany
Na tsy misy intsony aza izay mba teny mamy
Dia efa ianao no tokako, nekeko teto an-tany
Tsy ho kivy aho hanantena, hiandrandra fiovana
Hoe’lay haizin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/veloma | VELOMA | Hajanirina Mahavaly | Tena tsapako ato am-po
Fa mifankatia isika roa
Mifampizara hafaliana
Miombona amin'ny fahoriana
Misy hery mampifamatotra
Na amin'ny mora na ny sarotra
Miara-dàlana eny foana hatrany
Tao anaty tsiky sy tomany
Ankehitriny isika tody sapanana
Hifarana eto angamba ilay fiarahana
Ny fifandraisantsika kosa hitohy h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/soa-fa-eo-jesoa | SOA FA EO JESOA | Hajanirina Mahavaly | Tsy takatry ny sainay ry Tompo
Ny hitondranao anay Mpanompo
Fahoriana mifananao sesilany
Zary mampisento sy tomany
Maro koa ireo olana saro-bahana
Sedram-piainana miampy fitsapana
Efa mahakivy sy mahatorovana ny saina
Izay miseho rehetra efa mila haningotr'aina
Soa fa eo Ianao Jesoa malala
Tsy mba nidify na ko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-dikany-3 | NY DIKANY | Fredy Jaofera | NY DIKANY
Itarainana
ny jaly mibahana
hatrany amin'ny bikany ;
ny fiainana
dia fahafahana
mamorona ny dikany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/sao-tara-loatra | Sao tara loatra, | Nosy Malala | Sao tara loatra,
Sao tara loatra rahavako izany,
'reto vahoaka anie k'efa tena tomany.
Miharihary reo fanaparam-pahefana,
Misy ambony lalàna, misy difo-pahatrana.
Sao tara loatra vao ho tonga saina,
Reo manapahaizana izay antenaina,
Ho hery fiarovan'ity Firenena,
Efa may ny tanety, mbola mihenahena !
Sao tara ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hoy-ny-foko | HOY NY FOKO | Fredy Jaofera | HOY NY FOKO
Hoy ny foko :
tiako ianao
ka mandoko
fiainam-bao.
Hoy ny foko :
tiako ianao
ka tsaroako
tsy mandao.
Hoy ny foko :
tiako ianao
ka tsy foiko
lava izao !
Hoy ny foko :
tiako ianao
fa efa zoko
ka anjakao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-dikany-2 | NY DIKANY | Fredy Jaofera | NY DIKANY
Itarainana
ny jaly mibahana
hatrany amin'ny bikany ;
ny fiainana
dia fahafahana
mamorona ny dikany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iny-vorona-iny | INY VORONA INY | Fredy Jaofera | INY VORONA INY
Any ny fahiny
nahory tao ho ao
rehefa tsy mitony ;
iny vorona iny
nony lasa ianao,
tsy mihira intsony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/fitiavana-tsy-anjara | Fitiavana tsy anjara | DADAFARAtolotra | Niavaka loatra
Ka nahatonga ahy hitraotra
Saingy indrisy tsy anjara angamba
Manantena tsy misy ity foko efa jamba
Hiezaka aho hanadino
Izay rehetra mombanao
Ka ny lalanao banjino
Fa izaho tsy anjaranao
Tsy ataoko hampitoloko
Na hampitomany
Hampiononiko ny foko
Fa fombam piainana izany
Aleo aho hitomany mand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/vina-tsisy-farany | VINA TSISY FARANY | DADAFARAtolotra | Raha namboraka fitiavana aho,tsy nidongy homena valiny
Raha misantatra ny dobo aho,tsy nijery izay ahalaliny
Fa ny masaka ato antsaiko,no indro averiko lazaina
N'iza n'iza manabedy,Ianao hataoko zaridaina
Andeha andrasiko ny lahatra,sao mba tafaray isika
Andeha takariko ny kintana,s'irony volana baliaka
Ka ataoko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/adala-sy-hendry | ADALA SY HENDRY | Fredy Jaofera | ADALA SY HENDRY
Ny adala fantatra amin'ny teniny,
ny hendry amin'ny fanginany,
na rahoviana na rahoviana ;
izany akory tsy ho hay afeniny,
ao amin'izay ny fanambinany
sy ny fanenenana mangina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-dikany | NY DIKANY | Fredy Jaofera | NY DIKANY
Itarainana
ny jaly mibahana
hatrany amin'ny bikany ;
ny fiainans
dia fahafahana
mamorona ny dikany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/mandehana | MANDEHANA | DADAFARAtolotra | Anio no anoratako,fa dila toy ny taona
Tsy afaka hiaona,
Fa rava ny @tsika,ka levona avokoa
Foana ny taloha,
Neniko ny lasa,tomany koa ny hoavy
Izay antsana sy hady
No mitatao imasoko,rehefa lasa ianao
Nidila sy nandao
Ratra tsy hay sitranina,fery tsy hay fafana
Injao midanadana,
Andro maizim-pito,tany karaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/matahotra | MATAHOTRA | Fredy Jaofera | MATAHOTRA
Matahotra hatsiaka
ny androko etoana
raha ao amintsika
ny fanadinoana.
Matahotra ho banga
ny fotoana rehetra
raha tsy mitranga
ianao re mitoetra.
Matahotra hangina
ny vazo eny foana
raha tsy ampiana
tsiahy kely moana.
Matahotra ho irery
ny foko te ho any
raha tsy voajery
hoy aho, hatrany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-fahatsiarovana | AMIN'NY FAHATSIAROVANA | Fredy Jaofera | AMIN'NY FAHATSIAROVANA
Amin'ny fahatsiarovana
no ahitako anao indray,
na nanjary fahalovana
ny tantara nampiray.
Amin'ny fahatsiarovana
no mahamirana ny tava
fa ny zava-nandalovana,
nisy mamy lalandava.
Amin'ny fahatsiarovana
no mamelona ny isika
fa misy soa narovana
mbola tsy afa-mipika.
Amin'ny fahatsiar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/milamina | MILAMINA | Fredy Jaofera | MILAMINA
Tsy hisy fanaintainana
amin'izao tontolo izao
raha manan-toky tsy mandavo ;
milamina ny fiainana
rehefa miantehatra ianao
amin'ny teny fikasan'ny Avo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/nifoha-indray-ilay-fitiavana | NIFOHA INDRAY ILAY FITIAVANA | DADAFARAtolotra | Iza kay ianao ry volan-penomanana ?
Fa toa voataratrao aho dia nihika fihadanana
Zary tsy nahatsapa irony kapoka mafaitra, niainana taloha
‘Lay efa tofok’iny, jereo indray fa mifoha
Satria nahita anao !
Mafonja ny fitiavana miredaka ato anatiko
Mahery vaika loatra ka tena tsy ho fatiko
Ka rehefa misy volana miva... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/fahaleovantena-hoe | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/mbola-mila-anao | MBOLA MILA ANAO | Mahalia❤✨ | MBOLA MILA ANAO
Nivenjivenjy teny an'habaky ny nofy teny
ny foko manirery sy ny saiko adaladala!!!
Ny antson'ny eritreritro ao, injao milalalala
mitady ny endrikao sao mb'ho tsinjoko eny ho eny...
Eny!!!
Tena sarotra amiko ny hamafa ny tandindonao
tsy hitoetra an'eritreritro,
ny marina tsy afeniko
Fa; ny manon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iny-vorona-iny-2 | INY VORONA INY | Fredy Jaofera | INY VORONA INY (2)
Any ny fahiny
nahory tao ho ao
rehefa tsy mitony ;
iny vorona iny
nony lasa ianao,
tsy mihira intsony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetsomamiratra/mba-tiavo | MBA TIAVO | Vetsomamiratra | Ekeko fa tsy mora saingy hivalozako eto anio
‘Reo mafy izay tsy zaka nampitondraiko anao
Hifonako etoana ireo jaly nampizakaiko
Mamelà ahy ry tiako, meteza sombinaiko!
Fa tsy hovitako raha hisampana
Ka hotapitra eto ny amintsika
Tsy vitako ny hiaina tsy misy andry
K’azafady re ry tiako!
Mba tiavo farany, aza ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ho-anao-ry-taniko | HO ANAO RY TANIKO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | HO ANAO RY TANIKO
iaretako eto faona,
na rahoviana na rahoviana
na ho mandavan-taona, aza
no hiaina fijaliana
dia tsy hilaozako ny taniko
fa tiako sy andrianiko
hiezahako iaretana
sy hiniako tsy jerena
ny herim-pamoretana
eto amin'ny firenena
fa tiako ianao ry taniko
ilay tiako sady mamiko
tsy ny basy na t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/eto-an-tanindrazako | ETO AN-TANINDRAZAKO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | NY ETO AN-TANINDRAZAKO
Ny eto!
ny atody no miady amam-bato
ny basy no miaro ireo trozona
ny vava no miantsoantso
miantso ny tody sy ny ozona
ny eto!
ny marina no tena takiana
ny rariny tsy maintsy tadiavina
saingy indrisy fa dia fahoriana
rehefa injay ka hitaky ny marina
hitaky marina!
indrisy fa...,
ny ba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/t-s-y-a-n-k-a-m-e-l-y-m-a-n-d-r-y | T S Y A N K A M E L Y M A N D R Y. | hjravs | I KIALA
Lazaiko an'ialahy
fa ny tena lehilahy
tsy mba manindry lavo tsy afa-miarina
fa mandala fitsipiky ny "Ady marina":
Arenina aloha
izay lavo sy voa
mb'ho tafarina indray;
aorian'izay
- raha toa samy sahy - vao mifandray
sy manao "iray sy iray",
Fa... iny sipa iny,
tsy nisy tsiny,
hono, iny fahiny
sat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mirefodrefotra-toa-varatra | MIREFODREFOTRA TOA VARATRA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mirefodrefotra toa varatra,
ny tabatabam-pitarainan'ny vahoaka Malagasy,
zary mangasihasy.
Noho ny fahasahiranana, ny vidim-piainana miakatra,
mila tsy ho takatra.
Mirefodrefotra toa varatra,
ny fihanaky ny tsy fandriampahalemana,
irina handry fahalemana.
Ny firoborobon'ny fahalovana, toa afo-mololo,
sy letrez... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/rariny-raha-tiako | RARINY RAHA TIAKO | Mahalia❤✨ | RARINY RAHA TIAKO
Matoa aho saro-piaro aminao ry Nosy Mamiko
Dia tsy noho ny lazanao na ny harenao sesehena
Ka rariny raha tiako satria koa tsy nindramiko
F'anjara lova tamin'ny razako ary azy mahaleo tena
Matoa ianao andrianiko sy lalaiko hatreto am-bavako
Dia tsy noho ny bikanao soa mahasarika vahiny
Fa nohon'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mamoky | TSY MAMOKY | Fredy Jaofera | TSY MAMOKY
Tsy mamoky
fa mitandro
ny tena hazavana ;
ny vakiboky
isan'andro,
manala hadalana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/safidy-sahaza | SAFIDY SAHAZA... | AbouNusrayni | SAFIDY SAHAZA...
1.Nisafidy ny tsy hifidy,
ny vahoaka maro an’isa.
Tsy nahefa hanefa adidy,
Kanefa be famisavisa.
2.Hoe tsy lasa intsony ity ,
Fa miandrandra fanovana ;
Hoe tsy ilay io fa iry,
No toa mendripahefana.
3.Torapo sy vava be ;
No hany afafinao ombieny ;
Hoe tena ratsy toetra anie,
Ilay nitondra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-hizara | RAHA HIZARA | Fredy Jaofera | RAHA HIZARA
Raha hizara
ny lalan-tsaina malaky
dia izao anio fohazy :
ny boky tsara
dia hadinon'ny mpamaky
eo am-pamakiana azy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/nangina | NANGINA | Hajanirina Mahavaly | Nangina izy ka tsy nety niteny
Aleony hono tazomina ho azy irery
Ny adin-tsainy mibahana ao an-doha
Niafiny foana ihany na dia namparary fo
Niezaka aho nanantona sy nanontany
Tsy namaly izy fa nandrotsaka tomany
Nahoana loatra re hoy aho no dia izao
Ho ranomaso foana ve ny fiainanao?
Alahelo , sentosento niampy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/misy-teny-tiako-hambara_-2 | Misy teny tiako hambara_ 2 | havotraniaina | Misy teny tiako hambara, momba ny tantara,
Ny tantara-pirenena, moa misy fahendrena?
Moa akaiky Mpamonjy? Tsy lavitra Mpanjaka?
Raha ny tantaram-pinoana, dia nino ny Malagasy,
Fa Andriamanitra Mpahary, nantsoiny hoe: Zanahary,
Nandroso ny fotoana, hay tsy diso anjara,
Tonga zanak'Andriamanitra i Madagasikara.
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natiora-natoraly/tarainan-jaza | Tarainan-jaza am-bohoka | Natiora Natoraly | Minitra maromaro mety ho ora iray angamba
No nanamboaranareo ahy hisy eto an-tany
Fa asa hoe nahoana indrindra re ry dada???
No kasainao ho halàna tsy mba ahita mamy???
Nankafia nareo tsy mba nisaina akory
Hoe andro fady anio, tsy fanaovana hadalana
Fa maika ery ny andeha hiaraka hatory
Dia nankamamy fitiavana r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taniezaka/ramiaramila | Ramiaramila | Taniezaka | Hitanay mihitsy e!
F'ialahy Ramiaramila dia hozatra tsy laitra.
Ialahy efa nozarina ny kotrana an'ady.
Ialahy koa 'lay nasahy nampitondra anay mafaitra.
Ialahy tsy mba honena na aza efa nandady,
ilay olona kely aina.
Ialahy tsy mba nisaina rah' namono Malagasy,
Navela horesim-bola ny fitiavan-tanindrazana.
Iala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/voahidy | VOAHIDY | DADAFARAtolotra | Rehefa tsy misy masoandro iry lanitr’iry
Zay vao ho foana ‘lay hoe « tiako ianao »
Ato ny sahan’ny tena fitia
Paradisa voalahatr’irery ho anao
Ry mamiko indrindra tsy azo kosehina,
Ry ho avy mamiratra tiako hatrehina,
Ireo fahavelomako rehetra eto an-tany
Natokana ho an’i Malalako izany !
Raozy mamiratra fotsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/taratasy-ho-ani-dada | Taratasy ho an'i Dada | Mahalia❤✨ | Taratasy ho an'i Dada
Manery be ny fo ka mila tsy ho tanty
ny onjam-pitepoana omeny hozakaiko,
Na ny fotsiny arahaba aza mantsy
toa mitady tsy ho vita fa marary be ny saiko
(mandinika ny fiainana tsy misy anao mitantana)
Raha teto mantsy ianao,mba hafa tena hafa
ny lanitra tinazana sy ny loko hitan'ny maso...
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjf/hafa-mintsy | hafa mintsy | anjf | HAFA MINTSY
Hafa mintsy rehefa eo ianao
Toa mety izany izay rehetra atao
Ny saiko sy ny foko variana any aminao
Ka toa zary faona teo izao tontolo izao
Mamy ery ny orokao toa tantely
Sy ilay angolanao hafa kely
Hafa mintsy ianao rahavako
Ny anaranao tsy mety afaka ambavako
Satriko ho eo faona ianao
Anilako m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/hanitra-mandainga | HANITRA MANDAINGA | DADAFARAtolotra | Nahoana ianao ry tovovavy, no dia mivadibadidela,
Angolangolan-teny maro, nefa tsy naharitr' ela,
Nahoana ianao no mahay mitia, nefa avy eo mamilafila
Rehefa diso tafalatsaka, dia hoy ianao: izaho tsy mila!
Nahoana ianao ry tovovavy no dia sarotra faritana,
Tsy azo vinaniana akory fa, trondro iray tsy mila fitana,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/rahatrizay | RAHATRIZAY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | RAHATRIZAY!
rahatrizay ka tsy maintsy ho hitako
ilay notiaviko any ho any
dia fihina kely sy oroka mamy
arahin-tomany
......fa faly ny foko
rahatrizay ka tsy maintsy ho tantanako
ilay mamiko indrindra
dia ho lafatra indrindra
ny fitiavantsika
.......r'ilay tokan'ny foko
rahatrizay ka hitampify eo an-tratrako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/misy-fetra | MISY FETRA | Hajanirina Mahavaly | Tsarovy fa ny zavatra natomboka rehetra
Tsy haharitra mandrakizay fa manam-petra
Koa saino sy diniho tsara izay rehetra atao
Fa sao lahy hitondra nenina ho anao
Kodiaran-tsarety ange ny fiainana an-tany
Anio ianao ambony rahapitso ho lasa ambany
Aza lany andro mifanenjika sy mifampitsara
Hialao ny fiatsaram-bela... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yvette-razanakoto/ho-anny-malagasy | Ho an'ny Malagasy | Ratsifa | Nangina teo ny peniko
Fa nidradradradra ny eritreritro
Ranomason-tava no injao nirotsaka
Dia nitabataba niantso izay mpangoraka,
Fahantrana lava, fanampenam-bava,
Basy no miranga na mitady hanazava
Sy mba mitaraina ny fanahy, fo, saina.
Fa mihatra aman'aina ny fiainana iainana eto
Fotsiny, misento.
Nangina teo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/hendry-ilay-fitia | HENDRY ILAY FITIA | DADAFARAtolotra | Raha fitiavana hangalarina,aleoko ihany izaho tsy manana
Dia mahatra fihadanana
Tsy hitsiriritra akory, ny endriky ny tokatranony
Ka hoe: higoka ranondranony
Tsy izaho mihitsy izany!
Raha mbola resaka fitiavana,tsy salovanim-pahendrena
Aleoko izaho mananontena
Satria ! fahasambarana mihavosa,izay heveriko ho fav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetsomamiratra/tia | TIA | Vetsomamiratra | Tsy voafaritro mazava!
Tsy voasoritro hoe satria;
Fa taminao no niantsampy
Ilay foko ampoka fitia,
Tsy misy hoe nahoana?
Fa tiako tsotr’izao!
Tena tia tokoa;
Sanatria ny hilalao, |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetsomamiratra/anatra | Anatra | Vetsomamiratra | Zandry a!
Ny teny tiako hafarana
Fidifio’zay ho namana
Fa misy izy ireny
Mikendry izay hahavoa
Handatsaka amin’ny lalina
Haniry anao tsy ho tafarina
Dia halaviro ihany koa
Ny ditra tsy hahitana soa
Fa hamarina an-kady
Hamotika ny ho avy
Ka mba tsy honeninao
Dia halaviro sy hialao
Ny fisotroana, fidorohana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-roky | RY ROKY | Fredy Jaofera | RY ROKY
Ry roky,
izao dia tsy foronina
rehefa tombanana :
ny boky
dia nofy tazonina
eo an-tanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/haravoana | HARAVOANA | Fredy Jaofera | HARAVOANA
Na ahoana tsy ho voafafa
izao haravoana anankiray
tonga ho azy mahavariana :
rehefa faly ho an'ny hafa
dia mahazo avy anin'ny Ray
amin'ny fomba mangingina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/ny-fiainako | NY FIAINAKO | Mahalia❤✨ | NY FIAINAKO
Ho gaga angamba ianao
Raha mahare izao
Dia ny tantara keliko
Izay nandraisako ny peniko
Mikorisa mora ihany
Izato peniko amin'izany
Saingy ny ao am-poko kosa
Fahoriana no miavosa
Fahoriana sesilany
Adin-tsaina mivaivay
Indraindray mba faly ihany
Saingy tsy ela dia ao indray
Raha nampoiziko ho t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/renirano-mikoriana | RENIRANO MIKORIANA | Fredy Jaofera | RENIRANO MIKORIANA
Renirano mikoriana
ny ranomaso tonga
mivimbim-pijaliana
ka tsy be somonga.
Renirano mikoriana
ny ranomaso misy
mitondra fahoriana
fa efa nofy iny lisy.
Renirano mikoriana
ny ranomaso indray
mamoha fanaviana
fa ratram-po mivay.
Renirano mikoriana
ny ranomaso maro
nahazo haratsiana
nana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/aza-saropiaro | AZA SAROPIARO | DADAFARAtolotra | Raha resaka "message" tsy hapotrany aminao,modio tsy hita akory,
Aza rarahina, fa mandehana ianao matory
Aza hasianao resaka raha tafafoha maraina,homano ny kafe,
Kiraro sy ny lambany,de avelao andeha
Hamonjy indray ny asany!
Ra sanatria hariva izy vao miditra ny trano,fadio ny avonavona
Raha mbola ananao ny zava... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-mitomany-2 | AZA MITOMANY | Fredy Jaofera | AZA MITOMANY
Any ho any
fa tsy honohono
ny raorao ;
aza mitomany
an'ireo namono
ny tsikinao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-adala | AMIN'NY ADALA | Fredy Jaofera | AMIN'NY ADALA
Aza misalasala
mikendry
ny soa, na ahoana ?
Amin'ny adala
ny hendry
dia ho diso foana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetsomamiratra/ny-eo-anilanao | NY EO ANILANAO | Vetsomamiratra | Ny minitra iray eo anilanao, dia fotoana mamy aok'izany
Fotoan-tsarobidy indrindra, tsy mety lany mamy
Ilay fotoana iray tsy tiako hifarana fa hitohy lalandava
Ilay fotoana mamiko indrindra sy mahamiran-tava
Ny eo anilanao ve? toa fotoana volamena
'Lay hany mampisokatra ny saiko hiandrandra fandresena
'Lay manosi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/hihira | Hihira | Ny Radontsoa Mamiratra | Mihira ianao androany: Hira mitanisa
ny tsiky sy ny olatry ny lasanao rehetra;
Hira te-hidradra fa nisy paradisa
tanatin’ilay fo nirianao ho tomoetra …
Mihira ianao androany: Kalokalo manja
mirakitra ny tsantan’ny diary anatinao …
Ngadona sy rima mahay mandanjalanja
ireo korontan-drindran’izao tontolo izao.
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natiora-natoraly/eja | Eja | Natiora Natoraly | Fotoana nandalo kanefa dia mamy
Indray Sabotsy tsy nampoiziko akory
Nahatsapako an'izany hasambarana izany
Nanaitra ilay fitiavako saika hatory
Nahatazana anao aho ka lasa vinany
Nanonofy hoe raha mba ianao tokoa manko ny anjarako
Dia notantanako sy nentiko nosaromana voaly
Ka nanisy peratra teo amin'ny tanako
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manjary-poety-2 | MANJARY POETY | Fredy Jaofera | MANJARY POETY
Jereo vetivety
sy mba fantaro
'reo ainga mandia ;
manjary poety
ny olona maro
rehefa azom-pitia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/vitao-hatraminny-farany | VITAO HATRAMIN’NY FARANY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Be ny mora kivy am-piatrehana ny fiainana,
anaty fitaintainana.
Ny zava-kinasa tsy tody hatramin’ny farany,
maty ankaranany.
Avy eo niova nitady làlana hafa indray,
tena niolomay.
Vao niroso lavidavitra, dia niato kely,
nahatsiaro toa very.
Hany hery nijanona, nipetraka lasam-borona,
ny loha efa nitorona.
Ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/foana | FOANA | Rabarison Roberto Stephan | Foana
Foana tsisy intsony
Tsy aiko atao hoe ahona
Ilay fitiavana tao am-pony
Nataony veloma mandra-piaona
Foana tsy misy ahy intsony
Fa efa natolony olon-kafa
Efa olom-baovao no tompony
Izaho efa niova bandy iray hafa
Foana tsy misy azoko hantenaina
Ny alahelo toa tsy mety ho tony
Isan'andro toa lasalasa sai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniriantsoa-razakamalala/rasazy | RASAZY | Faniriantsoa RAZAKAMALALA | RASAZY?⚕️
Rasazy a, rasazy oh, matimatinao aho?
Tsy haiko fa ny foko toa reko mitalaho❤️
Miantso anao malala, miantso anao ho tiana
Mahatsiaro anao foana aho, mivavaka mangina?
Rasazy mamikeliko oh, avia ho aho zah tsindromy?
Fa tiako anie le raisinao, fa ataovy ambonimbony?
Rehefa ianao 'lay garde, dia marary ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/raha-hisaraka | RAHA HISARAKA | AORN | Raha ho avy ny andro iray
Handaozako anao
Dia izao no tadidio
Reo zavatra natao
Tsy nisy nanenenana
Fitiavana madio
Raha sendra ianao mahatsiaro
Lay adiadintsika
Nandrotsa-dranomaso
Dia fomban-javatra iny
Tsy maintsy nolalovana
Tsy sanatria ankaso
Raha sendra ka mihelina
Mamerina ny lasa
Ny kiry avy ao an... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.