url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/misaraka | MISARAKA | IARANTSOA Mahefa | Ny matoky aloha tsy misy
fa amboarina ny saina.
Aleo tokoa mitsitsy
ny fitiavana zaraina.
Ny omaly efa vita...
na tiana na tsy tiana
hiarahana mahita
ny vokany any aoriana.
Ny ampitso no hitsara,
ka tsy asiana harakaraka
fa rehefa hoe tsy anjara
manaiky ny hisaraka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyfandeferako/eny-ry-zandriko-tsy-foiko | eny ry zandriko tsy foiko | Nyfandeferako | raha ny masaka ato an-tsaiko ry zandriko tsy foiko
dia ny hijanonanao ho zaza, mba ho trotroiko
saingy mandeha ny fotoana, tsy hita akory ianao dia lehibe
eny , sanatria mety hanaonao foana,indrindra izay ts voafehy
lehibe ianao izao, ka handaho anay sy neny
ny aza adino anefa dia izao, tadidio izay hafatr'i neny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/alahelo | ALAHELO | IARANTSOA Mahefa | Alahelo...?
Tsy mba hananako hambo
fa mandoaka ny aty fo ,
Toy ny ranotrambo
mamaky fefiloha.
Tena tsy hay intsony
fa mahalasam-borona,
Toy ny rano an’ony
manafotra ny morona.
Mibahana ao an-tsaina
tsy hay atao ahoana,
Toy ny zavona maraina
manarona ny havoana.
Alahelo…..
Toy ny erika ririnina
mamonto l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahadisoany | NY FAHADISOANY | Fredy Jaofera | NY FAHADISOANY
Ireo izay tsy mahita
ny fahadisoany,
tsy hiova izany
fa milaza ho tafita
ny ankamaroany
vao manontany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/io-orana-io | IO ORANA IO | IARANTSOA Mahefa | Malala a,
Izaho kosa aloha tsy hivoaka amin'io oran'io,
fa angamba adaboy ilay fotoanantsika anio.
Mamirifiry,mampienjera,moa mandoto akanjo,
aleo rahampitso raha toa ka tsara ny andro.
Ny fandrinako ato mantsy tsy satriko ialana,
ka na tiako aza ianao,ny eto mafana dia mafana.
aza dia omena tsiny fa tsy hoe fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/fitiavana-daholo | FITIAVANA DAHOLO | IARANTSOA Mahefa | Izany rehetra izany, fitiavana daholo!
Voahosy tamin-tany dia nanjary torotoro
ilay fo tsy manan-tsiny niezaka nitia,
saingy niarina satria...
Any ho any koa,
misy fo marary ankona sy torana,
misy koa mijaly miharitra fatorana.
Misy sasa-miarina, misy leo sy tofoka
misy voageja tsy afaka mikofoka.
Fa misy ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/kanefa-tsy-mety | KANEFA TSY METY | IARANTSOA Mahefa | Aviliko foana ny masoko hidify,
tsy hifanojo amin'ilay jerinao.
Kanefa tsy mety vao miha mitampify
mandinika tsara ny salovanao!
Ferako foana ny molotro hangina,
tsy hirediredy ilay endrikao kanto.
Kanefa tsy mety na oviana n'oviana,
ny anaranao foana no voantsoantso.
Tapenako foana ny sofiko roa,
tsy hahare i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/henoy-ny-fanahy | HENOY NY FANAHY | Fredy Jaofera | HENOY NY FANAHY
Ny tena hery,
asehoy fa sahy,
na dia fanina aza ;
rehefa very,
henoy ny fanahy
fa izy no hilaza. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/iny-olona-iny | INY OLONA INY | IARANTSOA Mahefa | Iny olona iny izao manantena anao hiverina tsy ho ela.
Saingy ianao nandao tsy mba azony fefena.
Mbola ao am-bavany ao
Ilay oroka natao
an-tsokosoko tao,
indrisy,toa karazana talaho mba hijanonanao.
oh ilay fipitrapitrany…
mitomany izao iny olona iny!
Fa raha ny tena tiany eny tsy mba sitrany
Ianareo nifankahi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/finidy-nyandry/vavaka | VAVAKA | Finidy NyAndry | VAVAKA
Ry Tompo mankety ô!
Aza avelanao ho manirery aho raha mbola miaina ety
Ny foko sy ny saiko koa re
Aza avelanao hania
Hiantsampy any an-kafa
Fa... arovy tsy ho simba ny foko efa maratra.
Dia... mba tafio herin-tsaina ity saiko kely bado
Ny ranomasoko mipatraka aty ambany ravinkazo
Mba ampodio ho fifalian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/hafa-mihitsy-ianao | HAFA MIHITSY IANAO | IARANTSOA Mahefa | Nolalovana ny soa
hatrizay katram' zao,
saingy tsapako tokoa
fa hafa mihitsy ianao.
Dia niserana ny maro
nandalo dia nandao,
kanefa aloha fantaro
fa hafa mihitsy ianao.
Nitomandavana ny tsara
ny fatratra sy vaovao,
fa hoy aho manambara
hoe hafa mihitsy ianao.
Injay fa reko mikorisa
ny ainga anatiko ao,
mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyfandeferako/ny-fitiavako-azy-iny | ny fitiavako azy iny | Nyfandeferako | tsy aiko fa ny fitiavako azy iny
dia toa tena nangirifiry
toa tsy haiko atao ahoana
kobonina toa mitombo foana!
tena tsy aiko ny fitiavako azy iny
toa tsy mba norarahiany
kanefa na nandroso na nihemotra ny fotoana
izaho toa tsy sasatra niandry azy foana
ka asa moa raha rahoviana
vao mba tiany sy kasaina ho val... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/fahafiry | FAHAFIRY | IARANTSOA Mahefa | Fahafiry aloha aho malala ?
Fa toa mampisalasala
izato toetranao,
mahay izao rehetraizao!
Sao dia efa fahafolo?
Fa toa mapitsangam-bolo,
ary tena mahagaga loatra
ny fahasahinao tafahoatra!
Raha fahatelo;lefitro ihany,
Fa angamba mihotr’ izany!
fa tena mampirarak’ivy,
sao kosa fahasivy e!
Fahafiry ho’aho;fah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/fihino | FIHINO | IARANTSOA Mahefa | Fihino aho malala a,
fihino mafy an-tratranao,
fa indraindray misalasala
rehefa ora toy izao.
Dia mandefandefa saina,
...fa tsy haiko hazavaina
hoe vintana toy inona
kisendrasendra toy ny ahoana
no nahafahantsika nihaona.
Kisendrasendra mamiko
ianao miara-dalana amiko
Manaiky ho tantanako,
endre 'ty fiadana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/manga | MANGA | IARANTSOA Mahefa | Manga akia ny lanitra aty an-tany aty a,
fa ny ankoatra any no asa manahoana?
Ny lanitr' eny ambony no ambarako amin-dry
fa ny lanitry ny foko manjombon' eny foana.
Raha teto mantsy 'ndry fa tsy lasana nankany
dia mba nanararaotra ity andro mibaliaka.
Ny masoko eto izao mila hitomany
mandinika ny tendry voatonon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/ny-soratrao | NY SORATRAO | IARANTSOA Mahefa | Sondriana mankafy ny asa soratrao
ny lanitr' an-dolohako sy tany be hitsahiko.
"Inona no banga tsy ahefako toy izao?"
hoy ny dradradradran' ny fo amam-panahiko
Toa sora-mankadiry mitetitety taratasy,
tsy misy azo kianina, tsy misy iray mipika.
Ny peninao toa zanahary, fa ny ahy mangasihasy
mandrefy ny elanelana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/anjara | ANJARA | IARANTSOA Mahefa | Rendrika sahady itsy zokiko itsy
fa reraky ny taombiriky sy ny tsakarano.
Hitako torovana sy valaka mihitsy
ny endriky ny tenany niditra ny trano.
I dada aza moa dia io dia io indrindra
no nampalemy azy eo ambonin' ny fandriana.
Potraka nianjera ka tsy afaka mamindra,
ny mbola hitsanganany: tsy hay hoe rahoviana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/finidy-nyandry/poeta | Poeta | Finidy NyAndry | POETA
Ny hatramin'izay hatrany no Mbola ho tompoina
Raha Mbola koa tsaraina fa Mbola miaina ety
Velona miria,manenjika n'y tanjona.
Dia ...hatrany poezia, Io no loloavina
Hiraina hatrany hahoraka
F'izay ilay maha poeta
Poeta adalan-tsoratra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/habaka | HABAKA | IARANTSOA Mahefa | Faingana hikorira ry fo mpianjoria
soratra sy teny no hiaraka hilanto,
eto indray ny habaka iraisana fitia
habaka poeta sy habaky ny kanto.
Habaka hampiaina rindran-kilalao
tsy levom-pandrosoana sy ny rivotra malotony.
Habaka hampirevy ny foko sy ny anao
sepotry ny fiainana sy ny rotorotony.
Riba nentin-ndrazan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mambole-hazo | MAMBOLE HAZO | Fredy Jaofera | MAMBOLE HAZO
Raha feom-borona no ilaina,
aza mividy tranony
fa mambole hazo ;
ny tontolo tsy ho hay lazaina
eny an-dreniranony
rehefa mivazo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miarena | MIARENA !... | Fredy Jaofera | MIARENA !...
Miarena !...
Aza malaina
fa ho azo ny kalesy ;
ny fandresena
dia toe-tsaina
tsy manaiky resy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hamaritra | HAMARITRA | Fredy Jaofera | HAMARITRA
Mbola hamaritra
ny sedra nolalovana
any volana, any taona :
ho hita fa niaritra
sy tsapa ho torovana
vao tafita lavi-tsaona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-adala | NY ADALA | Fredy Jaofera | NY ADALA
Tsy ilaina izany mitetateta
toy ny idiran'ny angano
na toa vonoina ;
ny adala no mangetaheta
rehefa misy ny rano
azo sotroina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mijoroa | MIJOROA | Fredy Jaofera | MIJOROA
Raha ilaina anarina
ianao tsy ho very
sy tsy hampisaraka :
mijoroa amin'ny Marina,
na dia mijoro irery
tsy misy mpanaraka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jv-rajaonhson/izay-tiana-mitombo-tarehy | IZAY TIANA MITOMBO TAREHY | JV Rajaonhson | (...)mbola tazako manangasanga
ambadik'ilay rahona iny
fitiavany tsy mbola banga
tsisy pentina toy ilay fahiny
Tiana tsy manantsahala
hari-elatra fa tsy handao
tokam-po toa voromailala
mandramaty ny voady natao
Hery miankotso fanahy
ampoka tsiky tsy miato
sambatra tsy mba manahy
mafy sahala ny vato |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ankahalaina | ANKAHALAINA | Fredy Jaofera | ANKAHALAINA
Rehefa azo tantaraina
ny tranga anankiray
fa tsy amboarina,
tsy misy ankahalaina
mihoatra noho izay
milaza ny Marina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tena-leehilahy | NY TENA LEHILAHY | Fredy Jaofera | NY TENA LEHILAHY
Aza manahy,
na be ny toreo
tsy mitsahatra mifafy ;
ny tena lehilahy
dia miseho
amin'ny fotoana mafy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hisao-tena | HISAO-TENA | Fredy Jaofera | HISAO-TENA
Na mahory aza ny tany
fa manaketraka ny atao,
maharesy, na tsy mianjona
dia aza kivikivy izany
fa mbola hisao-tena ianao
tsy nandaboka ny tanjona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harynome/ny-fiainana | Ny fiainana | HaryNome | Tena manahirana tokoa
Misamboaravoara ny fiainana etoa
Tsy misy afaka manda
Na mafy ny onjany dia zaka
Tena tontolo hafahafa mihitsy
Na mitaraina ory ianao nga izy mitsitsy
Manao tsindrio fa lavo ny kely
Rafa resy ianao dia mizaka rery
Mitaraina sy mijaly mafy
Amin'ity fiainana akafiafy
Resy izy hono zala
Fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanofanana | FANOFANANA | Fredy Jaofera | FANOFANANA
Ny fanabeazana
dia tsy fianaran-javatra
fa fanofanana hieritreritra
vao fahombiazana
tena ho tonga lafatra,
hoy aho tsy mba milefitra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mifikira-aminny-fo | MIFIKIRA AMIN'NY FO | Fredy Jaofera | MIFIKIRA AMIN'NY FO
Ny zava-drehetra dia ho rendrika
fa ny tsara ombieny no ho tavela
raha mbola tany koa ny tany ;
aza dia mifikitra amin'ny endrika
fa miova ireny rehefa eo ny ela
fa amin'ny fo sy ny hatsarany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nisy-fahombiazana | TSY NISY FAHOMBIAZANA... | Fredy Jaofera | TSY NISY FAHOMBIAZANA...
Tsy nisy fahombiazana
raha tsy nisy fanesoana
teny ho eny notatazana
ka nahabe fisentoana.
Tsy nisy fahombiazana
raha tsy nisy fandatsana
teny re tsy nahamazana
tsy mba nety norarana.
Tsy nisy fahombiazana
raha tsy nisy faharesena
nahitana fahavoazana
mbola sarotra nekena.
Tsy nisy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hehy | NY HEHY | Fredy Jaofera | NY HEHY
Ny hehy dia nandrava
alahelo nokobonina
raha mihiratra ny tava
anio fa tsy foronina.
Ny hehy dia nandrava
ranomaso izay nijoy
raha izao re lalandava
ny vazo izay tsy foy.
Ny hehy dia nandrava
aloka nahamoana
raha indro fa misava
ny jaly azo foana.
Ny hehy dia nandrava
tebiteby nanadala
no ambara ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vita-tsara | VITA TSARA | Fredy Jaofera | VITA TSARA
Fantaro ny fahasoavana
mba miafara
eto am-pifaliana :
Izay atao am-pitiavana
dia vita tsara
sy mahavariana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hampidina | HAMPIDINA | Fredy Jaofera | HAMPIDINA
Na maro aza ny angidina,
tsy ivakiako atidohako
fa tsy tiako ny vatany ;
izay mitady hampidina,
efa ambany talohako
raha toa tsy fantany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harynome/iny-zazavavy-iny | INY ZAZAVAVY INY | HaryNome | Ilay zazavavy mainty fihodirana
Tsotsotra izy nefa manahirana
Amin'izato toebatany mahafatifaty
Mamotipotika ny ato anaty
Toa raozy kely mamelana vao mangirandratsy
Tarafin'ilay hazavana mimposaka miadana avy atsy atsinanan'atsy
Miaraka amin'ny endrin'ny sy ny tavany mahagaga
Hengoiny masony baribary toin'ny an'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/zoto | Zoto, | Nosy Malala | Zoto,
Tonga ny fotoana hiverenana hianatra,
Ny saina anefa toa tena mbola vahatra.
Hitohy hatory atoandro, hifoha, hilalao,
Izay no safidin'ny ao ampoko ao.
Any anefa izao, misy tsy mahandry,
Hiverina antsekoly, hibanjina ny ho avy.
Misy ihany koa, maniry mba hianatra,
Saingy ny fahefana, tena tsy maharaka !
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/itokisako | ITOKISAKO | Fredy Jaofera | ITOKISAKO
Ny zavatra mankahery
tsy mahay mandraraka
ny ahiahy hatramin'izao :
rehefa mandeha irery
dia fantatro fa miaraka
amin'Ilay itokisako aho. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ray-tsitoha | RAY TSITOHA | Fredy Jaofera | RAY TSITOHA
Na teo aza ny fitantanana
itony fiainan-tsamireriko,
nisy fitahiana tonga tokoa ;
ny zava-drehetra ananana
dia tsy avy amin'ny heriko
fa avy amin'ny Ray Tsitoha. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/nampiaraka | NAMPIARAKA | Dogme Razafy | Folapolak’andro
Fotoana nifanaovana
Fodian’iry masoandro
Teo ampanataovana
…Nanao hoe hiaona isika!
Vikiviky mora…
Hamonjy fefiloha
Mainamaina rora
Nientanentam-po
…Nampiara-dia isika!
Morona kamory
Nitoerana avy eo
Madera sady tony
Sina tsisy feo…
…Nifanakaiky isika!
Resaka sy hehy
Narahim-pahanginana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/s.bem/any-ankoatra-totosaina-fampidirana | Any ankoatra totosaina | S.bem | Ho anao ry ilay nekeko sy mifono sarobidy
Ry niraisaiko lalao
Ny hanaovako an’ity tsy ho verinao tadidy
Mba ho tsangambatonao
Fa na nody vovoka aza araky ny mahanofo
Misy fetran’ny dia
Ilay fahiny tsika kosa volamena tsy mba miofo
Fa mamiratra doria
Tsy angina ny finoako eny tsy ho faty koa
Tena velona ao anat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiainana-hafaliana | NY FIAINANA HAFALIANA | Fredy Jaofera | NY FIAINANA HAFALIANA
Ny fiainana hafaliana
hita ho mahafinaritra
tsy mitady hakiviana
sy tsy tsapa miaritra.
Ny fiainana hafaliana
mendrika araraotina
hikaroham-paniriana
matotra sy maotina.
Ny fiainana hafaliana
mivoy hira sy aponga
tsy mibaby habibiana
fa mety ho somonga.
Ny fiainana hafaliana
misy fah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maizina-max/mahereza-ry-zandrykely | mahereza ry zandrykely | maizina max | androany aho ra nande nivezyvezy teny
dia naita zandry kely tsy manandray ary ko reny
fa zandry kely miady irery aminy izato fiainana
zandry kely miady rery fa tsisy itarainana
aoka kosa moa ri zandry
aoka wa fa mafy ela
mitsikitsika na dia mandry
any ambany ragla
atao awona no ijery
atao awona ny ino
misy ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hafaliana | NY HAFALIANA | Fredy Jaofera | NY HAFALIANA
Ny hafaliana
dia ilain'ny fanahy
fa mamelona antsika
ka aza variana,
ampiasao fa sahy
mamoha hahasariaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-fanahiny | AMIN'NY FANAHINY | Fredy Jaofera | AMIN'NY FANAHINY
Ny hamantarana
ny olona tsara
dia amin'ny fanahiny,
no fananarana
azoko ambara,
sy ny tigetra arahiny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harynome/ny-kolikoly | NY KOLIKOLY | HaryNome | Ilay Taona mirakitra ireo tantara nolalovany Malagasy
Mpanjaka, fanjanahana ary fahafahana nanjary zava-mahafaty
Tontolo namolavolana hoe afaka sy repoblikana
Nefa nanjary kolikoly vonoan'olona tsy nifankahitana
Na eo aza izany mifohaza ry Malagasy
Fa efa andohalika ity ny ranombary
Mba andeha hiaingana hanorat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/takona-ny-marina | Takona ny marina | havotraniaina | Takona ny marina,
nohon'ny lainga,
ny lainga toa bainga,
ny lasa no mandainga.
Takona ny marina,
nohon'ny fahefana,
ny tsindry hazo lena,
ny baiko no ekena.
Takona ny marina,
nohon'ny kolikoly,
ny tarazon'ny vola,
ny saina no voavola.
Takona ny marina,
nohon'ny valifaty,
ny tahotra ho faty,
ny aina ho ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hery | HERY | Fredy Jaofera | HERY
Ny lalam-piainana ifotorana
hipoiran'ny hazavana
tena azo iankinana :
rehefa misy fahamatorana
dia misy fahatsapana
fa hery ny fanginana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tena-tononkalo | NY TENA TONONKALO | Fredy Jaofera | NY TENA TONONKALO
Ny ainga mandalo
dia mamokatra
ny kanto izay manentana ;
ny tena tononkalo
dia voasoratra
tamin'ny fahafinaretana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/tsy-mbola | TSY MBOLA | JERY | Tsy hanova aho
Na dia tsy tiany
Fa mbola mahatsiaro ho tsy afa-bela
Tsy afaka hionona aho
Na efa nariany
Satria ny foko mbola manantena
Tsy te hierika aho
Hanohy ny lalako
Fa mbola miandry izay ho avy
Tsy hitomany aho
Raha tsy efa fantatro
Fa efa sambatra izy any |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/omaly-sy-androany | OMALY SY ANDROANY | RASOA | Omaly isika toa sahirana
Tsy nahita izay mangirana
Toa tsy ho ampy izay vatsy
Mipopok'etsy, mipopok 'atsy
Ankehitriny toa mitobaka
Tsy misy intsony mifandrombaka
Izay nomena efa ampoka
Tena efa tsara antoka
Omaly ianao sy ny ankizy
Nisy fifandraisana nahakivy
Izay rehetra notadiavina
Tsy noekena, nifampilav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsikaritra | TSIKARITRA | Fredy Jaofera | TSIKARITRA
Ny fo tsara iray,
mbola tsara lavitra
noho ny hamanjany
raha toa tsy hay
sy rehefa tsikaritra
izao ny tena lanjany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-tsy-miteny | MISY TSY MITENY... | Fredy Jaofera | MISY TSY MITENY...
Misy tsy miteny
raha tsy hifosa,
izany no volena
mbola hiavosa.
Misy tsy miteny
raha tsy hamely,
izany tsy fefeny
ka misento kely.
Misy tsy miteny
raha tsy hitsara,
izany no omeny
hanimba anjara.
Misy tsy miteny
raha tsy hamery,
izany no babeny
fa dia rako-pery. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/hiara-hisalahy | Hiara hisalahy | Nosy Malala | Hiara hisalahy,
Aman'alin' izahay,
No nahita anao voadaroka,
Gina sy nangahiahy,
Te hitroatra fa toa sarotra...
Teny ratsy arahan'opa,
Niaretanao Izay nitaky...
Hitamasom-bahoaka...
...'lay Zò hianatra sy vatsy.
Toy ny romotra voabaiko,
Ilay tafika toa mihaza hao,
Nandaka anao ry sombinaiko,
...Hitatitra am... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nisy-tolona | NISY TOLONA | Fredy Jaofera | NISY TOLONA
Nisy tolona
nahitako fahavoazana
vao olona
nahazo fahombiazana.
Nisy ratra
tsy nanam-pitsaharana
vao tratra
ny tena fahasambarana.
Nisy alina
nandrebireby lalandava
vao lalina
itony tsiky tamin'ny tava.
Nisy latsa
nanaketraka ery ny tena
vao patsa
no feno am-pahendrena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zaka-berthot-randrianasolo/toamnt | Tomany | Zaka Berthot RANDRIANASOLO | Tomany aho ka tomany
Tomany ny fo, tsy andro tsy aliny
marary ny loha no sady fanina
Very fanahy, malahelo sy manina
F’ilay fanantenana tsy hita, nanjavona
Lasa saina aho, mandinika hoe..
tena izao mihitsy ve ny lahatra ?
tsy hita izay holazaina, mandositra ny feo,
Ka ny tomany sisa nivahatra
Asa ve mbola ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/halaviriko | HALAVIRIKO | Fredy Jaofera | HALAVIRIKO
Vonoy re ny lasa na fafao
hiova ny piriko
fa lefy laza ;
rehefa manatona ianao
dia halaviriko
fa tsy sahaza. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mampianatra-2 | MAMPIANATRA | Fredy Jaofera | MAMPIANATRA
Tsy ny mpirehareha
no mahay mamboly
'reo rehetra mahasariaka ;
ny fiainana ange
fa tsy ny sekoly
no mampianatra antsika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hanary | HANARY | Fredy Jaofera | HANARY
'Reo mpivalavala,
efa voan'ny sainy
sy ny fitantanany ;
'reo tsy mahalala
'zay zavatra ilainy,
hanary ny ananany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratax/misaotra | MISAOTRA | Ratax | Isaorak'Ilay Andriamanitra,
Nanome ahy fo mba hitempo.
Tsy ho voavaliko izany raha ny marina!
Ka aleo aho mba iventsoventso.
Io fo io tokoa ry zareo an!
Dia tsy fantatra izay mba fiheviny.
Tsy mba ita na hoe rehy feo,
Fa fitiavana ihany no reviny.
Isaorako anao ry Malala,
Fa namoha izany fitiavako.
No tsilovi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/manimanina-16112016 | Manimanina | Vetso mena | Manimanina aho izany
Manimanin-te hitsidika
An'ity tany Malagasy
Izay mahatehotia tokoa
Fa ity tanintsika ity
Mitahiry fahatsiarovana
Izay tsy maty ato am-poko
Fa mahamanina ahy tokoa
Manimanin'Antsiranana
Fototry gasikara
Manimanin'ny Mahajanga
Izay be hafanana
Manimanin-Toamasina
Izay efa saika Masina
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mety-ny-fanginana | VOHIZO NY FANGINANA | Fredy Jaofera | VOHIZO NY FANGINANA
Ny azo andaminana
ny tari-dalana iray voahevitra
mainka manavao :
vohizo ny fanginana
rehefa tsy afaka hieritreritra
valiny tsara ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maharavo | MAHARAVO | Fredy Jaofera | MAHARAVO
Maharavo
rehefa misy mampiseho
fa tia anao ange izy ;
mandavo
ny sentosento nankaleo
nanadala izaitsizy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ianao-no-nofinidiko-18082023 | Ianao no nofinidiko | Vetso mena | Indraindray aho lasa saina mieritreritra anao
Indraindray tsy mety izay rehetra atao
Fa any aminao foana ny saiko
Tiako hafoy ho anao avokoa hatramin'ny aiko
Indraindray aho mandinika ny tantarantsika
Ireo lasa rehetra, fony vao nanomboka nitia
Fa izao aho maniry ny hampiakatra anao
Ho vady mandra-maty, vonona h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratax/fitsingerenanaireo-mpivady | IREO MPIVADY | Ratax | Fony vao nanorina azy,
Nifanaraka tokoa.
Fa izany hoe mpivady,
Dia tsy hialà na adiady.
Tsy izany no nitranga,
Rehefa tena sarompiaro.
Mety iny fony efa jamba,
No nanosika azy ijangajanga.
Tsy voasakana ny dina,
Izay natao hifamehezana.
Ny fisarahana amin'tiana,
Na dia tsy io no faniriana.
Tsy mba zaza veli... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mijaly | MIJALY | Fredy Jaofera | MIJALY
Mijaly ny vahoaka
fa ny fako tsy voaraoka ;
mijaly ny marobe
fa ny rano tsy mandeha ;
mijaly ny miaina
fa ny jiro tsy antenaina ;
mijaly ny sasatra
fa lafo ny vidin-javatra ;
mijaly ny efa tola
fa ny misy mahanjola. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mankany | TSY MANKANY | Fredy Jaofera | TSY MANKANY
Sitrana teny ihany
ny ferin'ny sabatra
fa tsy ny vava azo ;
aleo tsy mankany,
sady efa hafatra
fa nanimba vazo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-ny-alahelo | REHEFA NY ALAHELO | Fredy Jaofera | REHEFA NY ALAHELO
Rehefa ny alahelo
no betsaka ao am-po,
mampirotsa-delo
ny tomany izay manjo.
Rehefa ny alahelo
no mitombo lavareny
dia kely ny isa telo
ilazana sento ombieny.
Rehefa ny alahelo
no mameno ery ny ora
dia miantso avelo
hihaodihaody eto mora.
Rehefa ny alahelo
no mitoetra tsy te hiala,
itso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/kanto-loatra | Kanto loatra | Nosy Malala | Kanto loatra,
Kanto loatra lahy, ireto zavaboary
Asatanana nokoloin'i Nahary,
Na maintso, na maina, na mena,
Dia mandravaka ny Firenena.
Kanto loatra koa ireto olombelona,
Hafa fiteny, hafa loko ,hafa tenona.
Kanto avokoa, ary tsy vazivazy,
Satria ny Tompo no Nahary azy.
Fa nohon'ny fijery, izay samy manana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/tsy-misy | Tsy avona | Lantorose | Tsy miavona aho akory raha mangina tsy miteny
Ny arahabanao tsy novaliako akory
Tsy miavona aho raha hitanao nianjona fijery
Fa ny foko no nivoady ny tsy hitia intsony.
Anefa raha miavona no teny hitanao
Entinao mamaritra ny fihetsiko anikeo
Tsy tsininao akory fa noho ilay fery vao
Toa niainako vao teo
Fa ny ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratax/raha-mbola-izy | RAHA MBOLA IZY | Ratax | Neny o! Lehibe aho izao ka tonga saina,
Afaka misaina ireny lasa ka itanisa izay mba ho avy.
Ny ho avy izay voatery ho ahy,
Ny ho avy feno ahiahy.
Toa iny lasa tsy tsy noheveriko,
No zary ngindy toy ny nenina.
Toa nylasa izay tantely no indro vahona sotroina.
Aiza ianao ry neny, ilay nandrara tsy no enoiko.
Mo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-fotoana-very | TSY FOTOANA VERY | Fredy Jaofera | TSY FOTOANA VERY
Ireo fotoana nampiasaina
tamin'ny famakiana boky iray
dia tsy fotoana very akory
fa namparanitra iny saina
hatrany hatrany mbola hahay,
na rahoviana izany ka izory. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tomponi-gasikara | Tompon'i Gasikara, | Nosy Malala | Tompon'i Gasikara,
Ireo Malagasy maro antapitrisa
Isa-maraina, no hiaraka ihiaka,
Tompon'andraikitra hamela tantara,
Iankinan'ny ho avin'i Gasikara.
Isa-maraina, isa-maraina,
Zaho sy ianao matoa velon'aina,
No fanantenan'i Madagasikara,
Hanafaka azy fa mbola tsy tara.
Taona maro nangina, tsy sahy niteny,
Nand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kapiteny | KAPITENY | Fredy Jaofera | KAPITENY
Loza amin'antambo
tsy mba fanao vazivazy
no anairana antsika ombieny :
jerijereo ny sambo
fa misy te handentika azy
izay tsy ho afaka ho kapiteny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratax/fitsingerenana | FITSINGERENANA | Ratax | Raha toa ka fetinao ny anio,
Dia izao no tadidio.
Ny fiarabana atolotray
Avy ao ampo fa aza manahy.
Mifalia hatrany hatrany,
Zarao tsiky izay tomany.
Fa ny soa atao anio
Hivaly soa tadidio.
Ny andro nahaterahanao,
Mitsingerina tokoa.
Koa mitsangana ianao izao
Raha toa ka mbola tsy mifoha.
Dia anontanio ny t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/tinapaka-ny-hevitro0 | Tinapaka ny hevitro | Ikalamako | Tamin'izay fotoana izay
Nakimpiko ny masoko
Nahidiko ny vazako
Nateliko ny rorako
Natsikiko ny molotro
Nahatoko ny lohako
Tinapaka ny hevitro
Hohadinoiko ianao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nisy | TSY NISY | Fredy Jaofera | TSY NISY
Tsy nisy zavatra hita
raha tsy tena goavana
ny kiry mafy nitokiana
ary tsy nisy zava-bita
raha tsy ny fitiavana
nampirisika mangina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/raha-toa-ka-hifandao | Raha toa ka hifandao | Vetso mena | Raha toa ka hifandao
Dia iangaviako ianao
Tsy hitondra alahelo
Sy ranomaso lava izao
Fa tsarovy ireo lasa
Dinio izay kinasa
Ary ajanony ao am-po
Izay hitanao fa mamy...
Raha toa ka hifandao
Mety halahelo ianao
Fa fitia tsy azo izany
Tsy tokony hampitomany
Fa raiso izay tsara
Raiso ho anatra amin'ny ho avy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferanaii/mirana | Mirana | TsiferanaII | Mirana !!!!!!
Mirana ilay anarana fiantso anao
Manana endrika kanto sy vatana tomady
Ilay tovovavy havanana amin'ny lalao
Teraka tao anaty ny vitana alahamady
Tonga teto antanana sendra fialahantsasatra iny
Nahitako anao voalohany teo amorondranomasina
Nandefa saina Aho hoe ise angah vahiny
No tsy de fahitako t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/rehefa-lasa-i-neny | Rehefa lasa i Neny | TSY RENDRIKA Spica | Rehefa lasa i Neny dia tsy misy intsony ho antsoina
Hitsena eny am-piantsonana rehefa tratra hariva
Dia ho tadidinao ilay findainao vonoina
Rehefa ianao ilay "mianatra" eny ambany ravinkazo
Ianao manao fanenjika anaty sahana mangahazo
Nefa milaza ho voatazona hanomampanadinana miaraka Amin ny namana
Rehefa lasa I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antso-h/karakarao-sy-ampahalalao | Karakarao sy ampahalalao | Antso H. | Karakarao sy Ampahalalao
?Ny mibedy sy mandatsa angamba efa fanao
Ny mangina tsy miteny na ny manao be lazao
Ny tsy miraharaha ary koa ny tsy mivaky loha
Efa lasa fomba ireo, kanefa samy tsy mahasoa!
? Satria...
? Ny mampahery sy manohana re no mba tena ilaina
Ny mifanampy, miara-miatrika. Izay no mampiray aina.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/isika | Isika… | TSY RENDRIKA Spica | Aleo hijanona any aloha ny volana baliaka
Fa ny tantaran-tsika izao no tiako mba soratana
Aleo mba tsy horesahana ny hira nandihizana
Fa ilay maha eo anilanao no iriako hankafizina
Na tsara sy malefaka ny rivotra mitsoka
Dia aleo mba ny “isika” no atao foto-dresaka…
Ary aza mitaraina aloha hoe mandeha be ny ora
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-boky-tsara | NY BOKY TSARA | Fredy Jaofera | NY BOKY TSARA
Ny boky tsara
dia manova fiainana
sy mitondra fianarana
ka mahavara,
aza asiana fahalainana,
ny hamaky azy hivoarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/izao-tontolo-izao | Izao tontolo izao | havotraniaina | Izao tontolo izao, no hitoerako.
Ny haizin'ny tany, no manarona tenako.
Ny endrika harantiny, no manintona ny fo.
Ka hankatoaviko, ny hanao ny sitra-po.
Izay rehetra hita, nandramako avokoa.
Teo vao nahatsapa, fa hay tsy nahasoa.
Izao tontolo izao, mamitaka tokoa.
Soa fa tsy tara, hovaiko ny tantara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/ampianaro-hamela-aho | Ampianaro hamela aho | TSY RENDRIKA Spica | Ampianaro hamela aho fa Ianao mahalala tsara hoe mafy tena mafy ny zavatra efa niainako
Ampianaro hamela aho fa Ianao irery ihany no afaka mitsabo ny fo sy ny fisainako
Ampianaro hamela aho fa te handroso hivoatra tsy hifatotra amin’ny lasa
Ampianaro hamela aho mba ahafahako mifantoka amin’ny tanjona kinasa
Ampiana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/raha-misy-manome | Raha misy manome | TSY RENDRIKA Spica | Raha misy manome
fitiavana ho anao
Aza maika hiteny hoe
Tia anao koa aho
Izay tiana no hajaina
Ka raha misy ankoatra anao
Sakaiza o mba misaina
Sao kilalao ianao ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/ho-anilay-tiako | Ho an’ilay tiako | TSY RENDRIKA Spica | Raha ho avy ny fetr’andro voatondro handaozako ny tany,
Hangatsiahan’ito nofoko tsy hitempoan’ny foko intsony
Raha izaho no lasa alohanao, miangavy aho tsy hitomany
Ireo havan-tiako sy ireo namako ary ny fonao no ampionony
Tarigetrako hatrany ny ahitanao fahasambarana
Na ho tapitra aza ny aiko ka handao anao ny te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-lany-daty | TSY LANY DATY | Fredy Jaofera | ny fitiavako anao,
na tsy reko intsony ;
tsy poak'aty
fa mainka mihavao
ary mbola mamony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lasa-ny-vorona-2 | LASA NY VORONA | Fredy Jaofera | LASA NY VORONA
Lasa ny vorona
vao tankina teo
iny olona iny
fa dia nisorona
ny nisy, zareo,
ka nahazo tsiny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/rainay-any-andanitra | RAINAY ANY ANDANITRA | TSY RENDRIKA Spica | Rainay any an-danitra ô!
Ianao ray itambaran'ny zanakao rehetra
Ireo zanakao tso-po sy ireo zanakao izay tsapako ho hafahafa toetra
Ka tsy tiako antsoina ho namana
Ireo izay nivily lalana nanda ny anatrao
Ireo izay minia tsy te hahalala anao akory
Ny zanakao mifaly sy izay mahatsapa ho ory
Ka manome tsiny anao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/resim-pitia | Resim-pitia | Ilay FANAMBY | Resy aho ! Fa zay ataoko dia anembonako foana
Resy aho satria, 'ty foko mitepo tsisy marim-piatoana
Resy aho ! N'aiza alehako dia toa hitako etoana
Resy satria iny endrikao tsy miala anoloana
Resy aho ! N'inona henoiko dia tsapako
Endrey lay feonao miantso ny anarako
Resy aho! N'aiza haleha,n'inona halaviran-dala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferanaii/ilay-sombinaiko | Ilay sombinaiko | TsiferanaII | Zanako, mety ho gaga ianao mahita ny farimpihainan’ny hafa
Mamaritra ny saina hoe tao tsy mba mitovy ilay antsika sahirana
Mametrapanontaiana hoe fa nahaoana ? maninona ireny no tafa ?
Sa hoe ilay ao ambony no manao fizarana mitongilana ?
Lasa saina foana rehefa ilay tsika mamonjy fety
Mandinika ny fitafian’ny ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tsy-nampoizina | NY TSY NAMPOIZINA | Fredy Jaofera | NY TSY NAMPOIZINA
N'inona n'inona voizina
isan'andro vao mifoha
avy mihinan-kanina
dia ny tsy nampoizina
no mahaliana kokoa
noho ny nomanina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/fanamby | Fanamby | TSY RENDRIKA Spica | Hiezaka hanadino ny momba anao rehetra
Handoro tsy misy miangana na marika hitoetra
Hoe nitia anao teny aho dia nampiarana herisetra
Handevina ny lasa mba tsy hisy mpahalala
Hanafina hoe niaraka dia nantsoinao hoe malala aho
Kanefa ianao tsy tia fa tena nankalala
Monja nohararaotina ny fantatrao momba ahy
Dia ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/hiantsa-tononkalo | Hiantsa tononkalo | TSY RENDRIKA Spica | Mangataka ny hiantsa ny tononkalonao aho
Ny tononkalo mantsy no sombim-piainanao hany azoko takarina
Kanefa tsy hoe “hany” fa raha ny tena marina
Ny tononkalonao dia taratra fanahy,
Ahafahako miombona amin’ny atifonao lalina
Anaty tononkalo ianao no tratra mitanisa ny nofinao noho ny alina
Eo am-pamakiana ny tono... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/hanoraty-tononkalo | Hanoraty tononkalo | TSY RENDRIKA Spica | Ry namako poeta a, hanoraty tononkalo aho,
Hilazako ny ao am-poko amin’ilay andrian’ny saiko
Ambarao aminy hoe izy iny dia lalaiko amin’ny momba azy rehetra
Na ny endriny na toetra
Dia samy tiako eny aminy
Iriako ny ho olo-maminy
Tiako aho mba ho raisiny ho olon-tiana
Fa efa elaela ihany no nitia azy mangina
Ry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/dada | DADA | TSY RENDRIKA Spica | Ity tononkalo ity,
Nosoratana manokana ho an'ireo 'Dada' nitia fa tsy niteraka,
Tsy misy rohin'aina nefa tsapa hatrany anaty hoe akaiky anao tanteraka
Nanoro sy nananatra raha sendra hadalana
Mety olona tsy fantatra na tsy ho hita intsony akory fa namela ho anao ny mamy
Nahalalana hoe, tsy ratsy saina jiaby kay ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aikatriniaina/natompatopa-ny-onja | Natopatopan'ny onja | Frederic Rnf | Nitopatopa toa ny bozaka
Tandrifin-drahona ilay masoandro
Saika potraka sy rava tanteraka
No indro avy ianao ilay Fanaperako
Ilay fiainana vao misandratra
Dia nidiran'ny fitsapana
Toa tsy tsaroako izany sambatra
Ka saika ho lavon'ny fahotana
Niaraka nirenireny tamin'ireo akama
Nandaniana ny andro sy ny fotoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/ny-teniko | NY TENIKO | IARANTSOA Mahefa | Tsia... aleoko miteny sy mivazavaza
raha mbola misy ny lesoka tazako,
mbola hanitsy sy mbola hanazava
fa masin' ianao ry ilay tenindrazako.
Aleo vaky sofina, aleo ho marenina
ireo tsy mivoatra kanefa nanarina,
fa na iza na iza tsy maintsy tenenina
raha mbola minia mandiso ny marina.
Fa mba firifiry iretsy vahin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/efa-fantatrao | EFA FANTATRAO | IARANTSOA Mahefa | Efa fantatrao sahady
ny mahasoa sy mahatsara
na tsy mivavaka aza.
Izaho mifofotra mitady
fa Ianao no mitsinjara
izay tokony ho sahaza.
Soa Ianao fa teo
ry Ray sy Zanaka Fanahy
Andriamanitra inoako.
Na inona hiseho
tsy manana ahiahy
ny saiko sy ny foko. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.