url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/tiko-ianao2
Tiko ianao
Ilay FANAMBY
Tiko ianao, Endrey anie zato endrikao e Zava-boary tsara loatra Zato jerinao ndray Mbola tsisy hatrizay iNy famindranao koa Mimpaka hatrany andoha Manao ray roa,mitsitokotoko Miaraka @ty fitempon'foko Oay zato volonao Tsara loatra aky zao Na ny milalao azy ihany Fafinaretana anatiko any Tiko re ianao a, N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soayin/telo-taona
Telo taona
Soayin
Telo taona sahady hono aki izay no lasa Fitia mahafatifaty, nitsiry tao anatin’ny asa Tsisy nanampo ho samy tia sy iraiki-po Fa tena mamy kay ilay fitiavan’olon-droa Dia ohatrany hoe…vao anikeo ilay bisous Tsiahy mbola mampientanentana ny foko Niverina adolantsento aho hatramin’iny Entin’ny fo tsisy fieritrereta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/fahendrena
FAHENDRENA
havotraniaina
NY FAHENDRENA ? io no harena sarobidy. Tsy vola aman-karena, fa raki-tsarobidy. NY FAHENDRENA ? Ao ny fifankatiavana. Halavirana ny disadisa, Ny rahoraho sy ny sisa. NY FAHENDRENA ? Ao ny fifanajana. Hajaina ny tena, Hajaina ny hafa. NY FAHENDRENA ? Ao ny herim-po. Saina sy Tanjaka, Fanahy ihany koa. NY...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ao-anatiny
NY AO ANATINY
Fredy Jaofera
NY AO ANATINY Raha te hamono fahavalo, poteho àry ny ao anatiny dia hahazo fandresena ; tsy eritreritra mandalo fa mandrapahafatiny no hiaina fahalemena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tany-iray-teny-iray
Tany iray, teny iray
Vetso mena
Ny taniko dia Madagasikara Ny teniko dia ny malagasy Izaho anefa ity toa tsy mangarahara Tsy afa-mijoro fa hoe Gasy Ry tanindrazako malala Gasikara niriako ho soa Tsy dia teo intsony moa ilay fitiavana tsy miala Fa nolevonina avokoa Tiako hirehitra ato am-poko Tsy ho faty mandrakizay Fa avy aminao no niaviako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-anio
TSY ANIO
Fredy Jaofera
TSY ANIO Tsy anio akory vao hiezaka ny hanitsy raha natoro ianao efa ela be mihitsy. Tsy anio akory vao hisaina hanova dia rehefa kenda izao, miantso ahy avia. Tsy anio akory vao hifona ahy fatratra rehefa tany nilalao, nahazo ny lafatra. Tsy anio akory vao hanarina izay rava ka tatazo ny natao fa tsy a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hoavy-2
NY HOAVY
Fredy Jaofera
NY HOAVY Ny hoavy no ho tsara kokoa noho ny lasa ; tsy goavy fa hanim-pitoloha vao mikasa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tantarantsika
NY TANTARANTSIKA
Fredy Jaofera
NY TANTARANTSIKA Ny tantarantsika dia boky voasoratra ho azy : andro mibaliaka, re roky, sy jaly saika sazy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mipoaka-ny-varatra
MIPOAKA NY VARATRA
Fredy Jaofera
MIPOAKA NY VARATRA Mipoaka ny varatra ka latsaka ny orana ; ny ainga no miakatra ka soratra no izorana. Mipoaka ny varatra ka embona no feno ; tsy mba mitsahatra ka injao mbola heno. Mipoaka ny varatra ka manina eto irery ; tsy ilaiko mitaratra ny tselatra mahery. Mipoaka ny varatra ka tsaroana ny any ; ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/handresy
HANDRESY
Fredy Jaofera
HANDRESY Ny olona miaro ny zavatra marina dia handresy foana, na aiza, fantaro, sy tsy mba hivarina fa mitaky fotoana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ampy-ny-vola
TSY AMPY NY VOLA
Fredy Jaofera
TSY AMPY NY VOLA Tsy ampy ny vola hanasoavam-bahoaka kanefa dia mbola milaza ho misy apoaka. Tsy ampy ny vola handehanan-draharaha kanefa dia midola manao fiainam-bazaha. Tsy anpy ny vola hanamaivanana trosa kanefa dia angola isan'andro no tontosa. Tsy ampy ny vola handoavana karama kanefa re tsy tola m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manorata
MANORATA
Fredy Jaofera
MANORATA Ny talenta mila ezaka tsy hatory na ho faty fa hiroborobo hatrany : mainka aza ho fezaka vao tsy, hoe, soraty ireny ainga sesilany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/tiako-ianao
Tiako ianao,
Ilay FANAMBY
Tiko ianao, Tiko ianao Fa aoka alo ho amizao Tena mamiko toko Nefa makarary ando Tiko loatra Fa tsy afamanoatra Tiko tena tiko Endrey zato faniriko Mamiko ianao Nefa,endrey zato endrikao Nanaitra ahy otrizany Moa ve mba ho zakako ihany Iriko ianao Amin'zato bikanao Fahalemenao no hontataraina Resy a! Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/mahatokisa
Mahatokisa
Vetso mena
Omaly fony isika niresaka Nilaza tamiko ianao tsy nisalasala Hoe ahoana ny fahitako ny fiarahantsika Sa ny halavirana mety mampihena ny fitia ? Dia hoy aho taminao hoe tsia ! Izaho tsy handao anao sanatria Fa ny halavirana sedra ihany Fa ny fitia dia mandra-maty Hoy indray ianao hoe atao ahoana No hampaharitra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ao-ny-mozika-2
AO NY MOZIKA
Fredy Jaofera
AO NY MOZIKA Raha ranomaso no mandriaka ka mianjera anaty fahakiviana dia mbola ao ange ny mozika hamoha haingana hafaliana. Raha alahelo no inty masiaka ka mahory ao amin'ny efitrano dia mbola ao ange ny mozika hanadino izany fa tsy angano. Raha ratra no tsy mahasariaka ka mijaly irery tsy hay ambara dia mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rano-maloto
RANO MALOTO
Fredy Jaofera
RANO MALOTO Ny rano maloto dia tsy manakana ny zava-maniry tsy hitombo ; ny loham-boto, tsy hampiakana azy iny impiry rehefa dombo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/nifidy-anao-aho
Nifidy anao aho
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nifidy anao aho Ianao fa tsy olon-kafa Noho izany afoiko ny hafa Satria ny miaraka aminao No tiako hatramin’izao Hanorenana fitiavana Indrindra fa fiavanana Ny mampalahelo anefa Araraotinao ny safidiko Sa misy zavatra tsy voahefa Indrindra fa ireo adidiko Efa noleferiko avokoa Ireo fihetsikao izay tsy zakak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/fahanginako
Fahanginako
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ny fahanginako tsy midika hoe faresena Ka aza ny endriko ivelany no jerena Nahatsiaro ny lasa aho ka lasa vinany Zany nefa tsy midika fa miavona aho androany Nangina kely fotsiny ka tsy toy ny omaly Lasa saina fa tsy hoe tsy manan-kavaly Dia mandrevy irery mahatsiaro ilay tsiky hatrizay Indrindra moa ireo sangis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/dada
Dada
Nosy Malala
Dada, Ilay Dada tsy mifidy, Mampianatra ireo ankizy. Zoky, zandry,havana koa, Mikely aina , manome soa. Mampianatra, hiatrika fiainana, Mahaleotena ary fitarainana. Manampinoana, manaja vady, Entitra anefa koa, tia vazivazy... Mifaly, na tsy dia manana, Mankasitraka izay eo ampelatanana. Mijoro amin'ny ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiala-mirana/tia-anao-indrindra
Tia anao indrindra
TsiferanaII
Nandalo teny amoron-dranomasina aho Dia nahasoratra ny anaranao tambony tora-pasika Farafaharatsiny tazan'ny lanitra Fa nandalo teto ilay tia anao indrindra Fa na ny ranomasina ary kay mialona ny fitiavako anao Nofafany sahady ny anaranao nosoratako Ny anaranao izay tsy fantany fa misoratra ato am-poko Tsy voafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/namana-fihavanana
Namana-fihavanana
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ianao iny dia tena namana Dia niroborobo tokoa ny fihavanana Misy ihany ireo tsy tia Fa ianao kay miatsaravelatsihy Aoka re mba tsy hosoparana Raha tena fihavanana Eo imasoko ianao mahay milaza Satria mihevitra aho toy ny zaza Dia any ambadika be tantaraina Fa eto anoloako mampandry saina Fatatro ihany fa mil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vintana-2
VINTANA
Fredy Jaofera
VINTANA Isan'andro dia vintana ho anao hanovana fiainana rehefa mitandro ireny adidy vaovao tsy am-pahalainana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/fiainana-an-tany
Fiainana an-tany
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Eny oa ry fiainana an-tany Olombelona ihany aho re ka mahatsiaro marary sy mijaly Dia tena izay tokoa ve Ny any amponao any Sa izaho no diso fijery Ka lasam-borona isan'andro ? Nefa aho tsy mino ho irery Fa eo anilan' Ilay Ray hatrany Matoa aho anie mangina Dia mandinika Izay atao Fa tsy hoe manaiky avilivil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maso-tsara
MASO TSARA
Fredy Jaofera
MASO TSARA Ny maso tsara dia mijery anao am-pitiavana, manambara antso vaovao te hihavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-orana
AMIN'NY ORANA
Fredy Jaofera
AMIN'NY ORANA Tiako ny mandeha amin'ny orana amin'izay aho tsy tazana rehefa mba mitomany, na tsy hay izay lalan-kizorana sy ny, hoe, fahavoazana mety hahatankina ihany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/touareg-ilay-oloko-manga
'Touareg', ilay oloko manga
Ikalamako
Fa ilay tiany, ilay Lalainy no nihazo ny tontolon'ny fanahy tsy misy aina, K'indro miherina tsy nahy ilay izy ho azy fa tsy ho ahy, ... tsy nampanahy. Fa tsara sedran-tany efitra Tsy folaky ny renireny ny olona manga ka nandefitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/manina
Manina
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Injany fa henoko mitsoka ao ampototsofiko Ny rivotrin’ny fahatsiarovana Mampitamberin ireo nofinofiko Indrindra fa raha sendra torovana Manina aho ankehitriny Manina an’ireo ray aman-dreny Indrindra fa ny olo-tiana Fa tsy hita intsony izy ireny Eny, manina azy ny foko Mahita ity toerana maro loko Ny saiko toa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/mahazo-mitomany
MAHAZO MITOMANY
NY HERIMAR
MAHAZO MITOMANY Manenjika anao ve ny lasa omaly? Mitanisa aminao ve 'reo nofy tsy tratra? Moa ve ianao mahatsapa mijaly? Izay jerena toa mitondra ratra? Mitady ho very ny fanantenana? Ny saina mikiry toa niova malaina? Ilay voro-mpihira lasa tsy tana? Toa toloko foana ve isa-maraina? Eny, aoka ho tony ianao ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zaka
ZAKA
Fredy Jaofera
ZAKA Fahorian'ny hafa no fahoriana zaka fa tsy ny an'ny tena, na dia mampijafa, mbola mahavaka, misy maso lena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/perivera-narisisika
PERIVERA NARISISIKA
NY HERIMAR
PERIVERA NARSISIKA Ho very foana isika raha hitsara ivelany, Ho diso kajy ihany raha hino izay lazainy; Ny dokotra manidina raha tsy tapak'elany, Maro ireo saka tsy hahazo izay ilainy. Misy olon-dratsy misary mody hendry, Izy diso indray no manameloka anao ; Aleony mangina, hono, sao mandrebireby, Izany hifona ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ratsy-natao
RATSY NATAO
Fredy Jaofera
RATSY NATAO Ny ratsy natao nangingina samirery dia ao ho ao hitomaniana fa hamery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/any-ambanivohitra-any
Any ambanivohitra any
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Any ambanivohitra any No misy any dada sy neny Any ilay misy ny an-kany Ka tsy ho adiniko velively Tany daholo ny fahazazana Ary koa ireo namana tsy nanary Dia maro tokoa ireo fahadalana Ka anisan’ izany ny kivarivary Trano kely vitsivitsy Ny any ambanivohitra any Ny mponina mbola tena vitsy Ka feno hafalian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/fiainana
Fiainana
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ny fiainana eto an-tany Izay amban’ny masoandro Dia miamafy hatrany Isa minitra, isan’ora,isan’andro Eny, fa na dia manam-paniriana Mba hianjehana ny masoandro mody Hialana ao anaty fijaliana Nefa indrisy, zara fa ho tody Eny, misy fotoana mibalika Toy ny taratry ny masoandro Zay manala ny hatsika Ka manafan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tsindry-hazo-lena
NY TSINDRY HAZO LENA
Fredy Jaofera
NY TSINDRY HAZO LENA Ny tsindry hazo lena dia mari-pahalemena ara-tsaina sy fanahy ka tsy mahay miahy. Ny tsindry hazo lena dia tanjom-panerena rehefa tsy tafavoaka izay ilain'ny vahoaka. Ny tsindry hazo lena dia asam-pambolena ireo jaly sy korontana ka andao ongotana. Ny tsindry hazo lena dia endri-pahar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/faharetana
FAHARETANA
Fredy Jaofera
FAHARETANA Ny faharetana rehefa ela ny ela, hitondra fahombiazana raha nandrafetana lahasa tsy navela nahalalana famafazana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/madagasikara-manan-karena
Madagasikara manan-karena
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Madagasikara nosy manan-karena Manam-biby sy zava-maniry marobe Vatosoa, volamena, handramena Fananan’ny daholo be Manan-java-maniry roarivo sy iray alina Ipetrahan’ireo biby mivoaka atoandro na alina Ka maherin’ny 80 isan-jato No tsy hita afa tsy eto amintsika hatram’ny taon-jato Manan-karena zava-mainiry anie...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/aza-enjehina
Aza enjehina
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Aza enjehina aho fa mbola miaina ao anatin'ny tsy fisiana Ekeko fa izay ny fiainana eto an-tany Fa mba avelao aho hiainam-pifaliana Sy hianto kely ny fijaliana sy ny tomany Eny e, matoa moa misy ny fanenjehana Dia mety ny natao sa ianao tsy mino? Koa ny anao atao tsara na koa ketrehana Dia mba mivavaha, ary ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-manan-dranomaso
REHEFA MANAN-DRANOMASO...
Fredy Jaofera
REHEFA MANAN-DRANOMASO... Rehefa manan-dranomaso, miomàna handraraka azy fa nanadala ny hasohaso ka vaky hatramin'ny vazy. Rehefa manan-dranomaso, ho vetivety dia hikoriana fa tsy azo atao : andraso rehefa iharam-pahoriana. Rehefa manan-dranomaso, aza sakanana tsy hivoaka fa avy hatrany dia alefaso ho feno ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/don/tsy-ho-ahy
Tsy ho ahy
DON Excellence
Androany tokoa mantsy ilay fotoana Ny folakandron'izany isika mbola nihaona Nifanojo nefa dia toy ny tsy nifankahalala Nefa aminao ny foko tsy mahay mankahala Tonga tokoa iny alina iny Avy dia holazaiko hoy ianao f'aza tsiny Nanantena aho fa tsy ho lavinao Ny fitiavako nitoetra teo anoloanao Rehefa tia tokoa to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/any-koa-dia-misy
ANY KOA DIA MISY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Any koa dia misy mamy Azonao sotroina foana Rehefa sendra ianao tomany Ninon'inona fotoana Any koa dia misy hira Mbola azonao hiraina Rehefa misy fifaliana Na koa sento na taraina Any koa dia misy kalo Mety ho azonao kaloina Rehefa injay fa hoe mandalo Ireo tsiaro ka tsaroina Any koa dia misy Ray Avo nohon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telonohorefy/voaozona
VOAOZONA
Telonohorefy
VOAOZONA Marivo tototra loatra ny laingany Ka nofokarin'akoho tokana anaka Vao hitako ratsy fitsaika ny fiaingany , Narindriko ilay vavahady nibànaka Ny eto hono, mantsy , tanànan'ny fetsy Ny fon'olona eto malain-kava-manana Ny eto , izay "atsy.." tahaka ny "etsy.." : Miaina amin'ny rivo-pamingampinganana D...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/adin-tsaina
Adin-tsaina
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Adin-tsaina isan’ora No iainako eto an-tany Ka misoko moramora Ireo hakiviana sesilany Adin-tsaina mivangongo Amin’ity trano bongo Tsy mba misy mijery sy mihantra Satria ve olona mahantra? Adin-tsaina lalandava Mandrakotra ny androm-piainana Ka tsy mba misy andro mazava Hitadiavan’olona hitarainana Adin-tsa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/vidim-piainana
Vidim-piainana
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Miakatra isan’andro Ny vidim-piainan-janak’olombelona Reko ny io antoandro Fa mirongatra ihany koa ireo ambalavelona Ny vidim-bary, savony sy hena Tsy mijanona miakatra eny an-tsena Eny, hatramin’ireo voakazo Na ihany koa ny vidim-boninkazo Na any ambanivohitra na antanan-dehibe Dia tsy mijanona miakatra, ireo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/don/sambara
Sambara
DON Excellence
Ao fa hiala aho hanalavitra anao Indro averiko izay rehetra avy taminao Ka na dia mafy aza izany Dia indro aho lasa ka hilentika any Aza manahy fa rehefa lasa aho izao Dia tsy hisy intsony ny mpanadala anao Sambara amin'izay re ry tiako iny Tsofy rano aho f'aza omena tsiny Hiezaka aho hitraka sy hampionona ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-poezia-2
NY POEZIA
Fredy Jaofera
NY POEZIA Ny poezia dia ny teny tonga ao am-po misy fitia lavareny 'zay tsy mety lo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/namana
Namana
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Namana lisany Namana, tena namana lisany Namana azo itokisana Nanolo-kevi-dalina raha samy nanan'olana Hany ka vetivety foana de mahita vahaolana Olona mihaino rehefa iresahana Ka azo itokisana sy amborahana Ny zavatra mibahana ao am- po Na koa zavatra manjo Namana lisany ka samy manitsy Raha toa misy diso la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/any-misy
ANY MISY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Any misy maso iray Tsy mitsahatra mijery Ireto masonao tomany Any misy fo iray Mahatsapa ka mitsetra Izany sentonao izany Any koa dia misy endrika Malahelo ka onena Raha mahita anao toa kivy Any koa dia misy iray Miombon-tsiro aminao Rehefa tojo ny mangidy Any koa dia misy felana Te hiara-mitanondrika Rah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/ilay-fotoana
Ilay fotoana
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Amin'izao dia anjarako ny mitaona Miverena fa efa akaiky ny fotoana Tsy henonao ve fa misy miantso anao foana Miovaha, fa izay ilay fotoana Na any am-piangonana na any an-tsena Ny tanjona dia ny hatsiarovanao tena Mety misy ireo miroroha saina Satria tsy maita izay ilaina Efa fantatrao koa ve? Fa hisy ny kotro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/tsingerintaona
Tsingerintaona
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Vao nifoha aho ny maraina Toa lasalasa saina Nandinika ny fotoana sy ny ora Zay mikorisa moramora Nandeha ny andro sy ny volana Ka lasa ho taona Zay tsy mba azo takonana Ny lalana nodiavina, ny lasa tsy mba foana Fa voasoratra ato anaty Tsy voafafa mandra-maty Ny andro 17 Jolay Hatramin'ny mbola kely ka ho m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/feon-zava-maniry
Feon-java-maniry
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ny feon’ireo zava-maniry Izay miantsoantso antsika mafy Ndao re mba hiaro sy hitahiry Amin’ny alalan’ny voa izay afafy Miantso antsika izy, amin’ny alalan’ny raviny Ny hiaro azy hono no mba tedaviny Miresaka izy ireo sady manonona ny anarany Mba tsinjovy ihany ny taranakay any am-parany Miteny mafy ny hazo an'a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga-irery-2
TONGA IRERY
Fredy Jaofera
TONGA IRERY Tonga irery ny fahendrena amin'ny alalan'ny fijaliana fa tsy zavatra nambolena vao nivoy fahamboniana. Tonga irery ny fahendrena amin'ny alalan'ny fitsapana fa tsy nipoitra na nomena vao nitoeran'ny hatsarana. Tonga irery ny fahendrena amin'ny alalan'ny traikefa fa tsy misosoka noterena rehefa i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ny-ahy-ny-dada
Ny ahy ny Dada
Nosy Malala
Ny ahy ny Dada, Ny ahy ny Dada tsy mba fantatro, F' izao no hany kely hafatro, Raha toa enao ka velon'aina Mahatsiaro anao ity sombinaina. Ny ahy ny Dada efa lasàna, Satry ihany, ho eo hiantana. .....Inoako sambatra izy any, Navita adidy teto antany. Ny ahy ny Dada mamo lava, Ny fiainanay dia tabataba... M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/ngidim-piainana
Ngidim-piainana
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ny fiainana eto an-tany Zay ambany ny masoandro Dia miamafy hatrany Isa minitra, isan'ora, isan'andro Eny ,fa na dia manapaniriana Mba hianjehana ny masoandro mody Hialana ao anaty fijaliana Nefa indrisy, zara fa ho tody Eny, misy fotoana mibalika Toy ny taratry ny masoandro Zay manala ny hatsika Ka manafana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/alahelo
Alahelo
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Alahelo lalina ao am-poko Ny nandaozanao ahy Ka tsy hitsiky ny fanahy Fa mbola hitoloko Alahelo anie izany Arahana tomany Tsy misy ranomaso Fa ritran’ny ankaso Alahelo tsy mba tsapanao No iainako isa minitra Ka nataonao ankilabao Ity ahy mipitrapitra Alahelo mibahana ao anaty Ka tsy norarahinao na ho faty ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/rehefa-reny
REHEFA RENY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
REHEFA RENY rehefa reny!, dia tojo fitia sarobidy sy hantahanta ny zanaka tiana misetra mafaitra sy ngidy saingy reharehan'ny fianankaviana rehefa reny!, dia misotro ny rano tsy tiana itambesaran'ny ziogan'adidy tsy ahoany izay hoe hakiviana fa ny tokantrano no masi-mandidy rehefa reny!, dia matetika ny dit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ankizy
NY ANKIZY
Fredy Jaofera
NY ANKIZY Ny ankizy iray mamaky boky, olon-dehibe misaina, tonga dia hahay sy hahazo toky ka azo andrandraina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/nofiko
Nofiko
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nofiko io maraina io Tso- drivotra madio Namafa ranomaso Fa tsy hisy intsony ny ankaso Nofiko izay tena mahavariana Nampitony ny fijaliana Tsy nisy intsony ny tomany Fa hafaliana hatrany hatrany Nofiko ihany koa ry zareo Fa tonga hono i Jesoa Ka foana hatreo ny toreo Zay tsy nisy nanampo Nofiko teto an-tany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ataovy-filamatra
ATAOVY FILAMATRA
Fredy Jaofera
ATAOVY FILAMATRA Ataovy filamatra ny olona tsara fa aza aringana dia hahafantatra ny tena anjara tsy misy fingana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/fanantenana
Fanantenana
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Fanahin'olona maro no efa trotraka Tsy vitan'izay fa sasatra no potraka Mangataka ny hitsaharany Handinihina izato lalany Eo ianao Ilay Mpampahery Sady mpamindra fo No tonga hanasitrana ny fery Ary hanome hani- mahasoa Tonga Inao tsy nijery ny fahadisoany Fa nanampy mba hiarina Voafafa avokoa ny fahotany Ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/alina-2
Alina 2
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ny alina rehefa tonga Dia mampidoboka ny foko Fa hisy indray ny hisomonga Ka hatonga aho hitoloko Eeee, ny foko efa taitra Ny tena varahontsana Fa izy mody bonaika Mijery anao torovana Ny alina eto an-tany Dia misoko moramora Zay mampijaly sy mampitomany Isa minitra, isan'ora Alina tsy mety mampangina Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kintanamanjopiaka/tara_masoandroko
Tara_masoandroko
Kintanamanjopiaka
Tara_masoandroko Dada sy neny ve ? Tsy manana ny ampy  izy ireny fa mikely aina fatratra mba hatafita ahy, Miala vao mangira_dratsy ery manao ny aina tsy hozavatra nefa mijoro izy ho sahy, Indraindray tafasoritra eny amin'ny endriny ny havalahany sy ilay molotra efa maina, Fa ny hany ambeti_teniny dia hoe ny ahy in...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/08-marsa
08 MARSA
RASOA
Hataoko ahoana no hitovy Raha efa tany am-piandohana Izaho dia efa voatondro Ho loharonom-pahotana Ny voary koa miangatra Tanjako nataony kely Tsy ahafahako manohitra Fa tena ambany mihitsy ny hery Jereo anie ny asa an-tokantrano Toa izaho daholo no hianjerany Mitotoka atsy, mitotoka eroa Nefa samy mitady vo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tbi/hisafidy
Hisafidy ..
TöBi
@Hisafidy.. @ Hisafidy ny hino fotsiny aho androany Hanaiky ny baikon'ity foko marary Hiaino ny safidiny hoe ho volamena sa ho vato? Hisalotra fery sa ihany koa am-piato ? Hino azy ho androany, izy izay mibaby ny ngidy Mizaka ny tsy erany satria tsy hany voafidy Na dia nanolotra ny mihaotra ,nanaiky ny tsy fid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-ho-jamba
TSY HO JAMBA
NY HERIMAR
TSY HO JAMBA Fa maninona ianao no miaritra hatrany Amin'ity tovolahy tsy vonona akory? Tantara vao manomboka dia efa tomany, Ianao isan'alina tsy mahita tory? Ny momba ny ho avy tsy iasany saina Fa ny Tompo ao ambony no ataony fialana Ianao mifikitra, avy eo miala maina Ny anjara indray lazainy tsy tamana. Iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/kodiaran-tsarety
Kodiaran-tsarety
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Miovaova sy mifandimby ny fiainana eto an-tany Resy aho anio, fa rapitso ianao ambany Ny fiainana anie kodiaran-tsarety e Miodina foana na an-dalana na an-tanety Mandeha moramora, tsy mijanona mihitsy Omaly aho voatorotoro, fa anio hitsiky Dia hizava tsikelikely ilay tandrifin-drahona Ary ho lasa mamy, ilay ngid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/alina
Alina
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ny alim-bolana manganohano No tena ahenoina feom-biby an-tanety sy anaty rano Toa mihira mandrotsirotsy Zay ahitako tory anaty bodofotsy Ny alin-kintana izay mazava Mitaona ahy mba ho sahy Ka misarika ny fo sy fanahy Mba hijery azy lalandava Mahagaga sy mahavariana tokoa Ny endriky ny lanitran'ny alina Ary m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/fijalianny-tany
Fijalian'ny tany
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Mangetaheta ny tany Fa toa tsy misy fiafarany Izato hain-tany Mamely mafy mampitomany Nisy naka, namotika daholo Ny toerana maintso volo Na an-tendrombohitra na an-dohasaha Dia simban'ny gasy sy ny vazaha Ireo tantsaha izay nikolokolo sy nananjary Tanety, tanimboly, tanimbary Dia ratsy fararano Fa miharitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/fahazazana
Fahazazana
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Voasoratra ato am- poko Ny andron'ny fahazazana Akanjo rovitra sy maloto No nahitako hafanana Vao tonga ny amin'ny ray Mirava avy any amin'ny EPP Dia manantevin- daharana indray Milalao andalambe Rehefa avy mamonjy lamesa Dia mitaingina kalesa Avy eo manao girisarisa Miaraka amin'ny sahafa sy fandisa Eo koa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/minomino-foana
Minomino foana
Pissoa
Moa ny minomino raha dinihina, Sakaiza Ireo manompo sampy ihany, sy ireo manana mpitaiza ? Mbamin’ ireo izay manantena irony razany hitahy Ka manao izay fombafomba haharavo ireo fanahy ? Ny minomino foana retsy tsy ireo tsy Kristianina Tsy mino an’ Andriamanitra, na ireo mpanota matihanina ; Ts’ireo miandry ny mp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/miharatsy
Miharatsy
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Miharatsy isan- taona,ny fiainan'ny tontolo Farim- piainan'ny tsirairay, mitotongana daholo Miseho avokoa ny loza rehetra Ka tsy voafehy na andraisana fepetra Miharatsy isan'andro ny fiainan'ny vahoaka Tsy afaka makaiza na mba tia hitroatra Ny vola sy ny harena, toa lasa bobongolo Ka be ny tsy manana, afa tsy ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mihatsara
MIHATSARA
Fredy Jaofera
MIHATSARA Mihatsara ny zava-drehetra rehefa mandeha ny fotoana ; Iasa tantara itoeran'ny tsetra ny mafy ka misintaka foana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tbi/ampianaro-aho-mitia
Ampianaro aho mitia
TöBi
@ Ampianaro aho mitia @ Ampianaro aho mitia, Fa ny hany mba haiko sy ny takatry ny saiko dia ny miteny tsotr'izao ,ny teny hoe " Tiako ianao " Akory, tsy arahan-tambitamby sy teniteny mamy Ampianaro aho mitia, Fa ilay fitiavana haseho ,'ty vao taitra tanin-keo Ka tsy ho matotra sahady fa vao mianatra mandad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/tena-namana
Tena namana
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ny olona tena namana Olona tsy mba manary Ary mitondra teny fiadanana Izay nomen'Ilay Mpahary Ny olona tena namana Manampy amin'ny tsy fahampiana Ary tsy miravoravo tanana Fa mampahery amin'ny hakiviana Ny olona tena namana Mitondra anao amin'ny tsara Fa tsy sanatria haditràna Ka ho diso safidy sy anjara Ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/tebiteby
Tebiteby
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Tebiteby ny fiainana ankehitriny Tebiteby feno hankiviana Tebiteby mafy no mianjady Tebiteby miaina aman'ady Tebiteby feno ahiahy Mampijaly saina,fo amam-panahy Tebiteby tsy vetivety monja Fa tebiteby tsy misomonga Tsy mba vitsy fa be dia be Ireo tebiteby rehefa eny an-dalambe Tebiteby no mibahana sy mipetrak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hafatra
HAFATRA
Fredy Jaofera
HAFATRA Ny ranomaso dia hafatra tsy hain'ny fo ambara amin'ny teny, indraindray oram-baratra fa ny nanjo, mahory mafy lavareny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fanilo
Fanilo
Nosy Malala
Fanilo, Lasa vinany manontany, Andro lasa tany ho any. Raha nandao Ilay fonenako, Selesitialy nitoerako... Nisy drafitra voarafitra, Ny tanjona dia ho finaritra. Ny Raiko miandry ny hiverenako, Manomana izay hitoerako. Raha nandao Ilay ankany, Mandritra ny ady eto antany, Ilay Zoky Tompoko, sy Ray. No naman...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy-teraky-ny-fo
REHEFA TSY TERAKY NY FO
Fredy Jaofera
REHEFA TSY TERAKY NY FO Rehefa tsy teraky ny fo ny lahasa izay atao dia hihinana hoho isan'andro izao. Rehefa tsy teraky ny fo ny fikasana sarobidy dia zara raha ho to ny efa mba safidy. Rehefa tsy teraky ny fo ny tanjona kendrena, vetivety dia ho lo tsy ho hay fefena. Rehefa tsy teraky ny fo ny fitia ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-fo-ravoravo
AMIN'NY FO RAVORAVO
Fredy Jaofera
AMIN'NY FO RAVORAVO Amin'ny fo ravoravo no ahitana fitoniana, na dia manjavozavo 'zay mbola faniriana. Amin'ny fo ravoravo no etezan'ny taona, na dia mba tanavo eto mandavataona. Amin'ny fo ravoravo no ipoiran'ny rindra, na dia be mandavo, hoy aho indrindra. Amin'ny fo ravoravo no ivoizan'ny tsara ka isa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/what-do-you-call-it-freedom-or-loneliness-charles-bukwoski
Irery va?
Ny Radontsoa Mamiratra
“What do you call it, freedom or loneliness ?" Charles Bukowski Mangina ka mangina ny andronay ety Misento ka misento … Mamerina mandia ‘lay eritreritro iny : ‘lay tia misetrasetra; ‘lay faly mampanjavona ny misy ety rehetra! Fa mamy ange ka mamy ‘lay akanin’i Neny Fa tiana koa ka tiana ‘lay zandrinay ireny … F’...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/hotely-hafa-kely
HOTELY HAFA KELY
RASOA
Nahatsiaro noana tampoka Dia niditra hotely Nivoaka avy tao, voky ampoka Ny sakafony hafa kely Narosony ny " fiantrana" Io tonga dia nohaniko Omeko ny kilemaina sy ny jamba Ireo natokako tsy laniko "Fahaizana misaotra" No nataoko solon-drony Io no lasa laoka Ny hanohanako nitony Nisy koa ny "fahasoavana" N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ry-mamiko
RY MAMIKO
NY HERIMAR
RY MAMIKO Raha ny tena tiako Sy nametrahako fitokiako, Dia ianao ry 'lay tokako No mampiasa ny lohako. Aza heverina ho adala 'ty foko tsy mba nankahala, Na mahita anao nisalasala Fa te hiantso anao Malala. Toy izany ny ahy ny mitia, Maniry mafy ho doria; Raha mbola azo leferiko, Ny ahy ny fo tsy toheriko. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/handohaliako
HANDOHALIAKO
RASOA
Omeo ahy ny hazo fijaliana Mavesatra indrindra fa ho zakaiko Angoniko ny hery Ny olona hanampy dia ho bataiko Ahelezo koa ny hanohanana Sy ny mosary tena mafy Fa izaho vonona ny hamboly Sy hiasa ary koa hamafy Na ho avy koa aza ny tondradrano Ka ny nohariana ho fefika avokoa Eo isika mpiaramonina Hifanome ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahasambarana
FAHASAMBARANA
Fredy Jaofera
FAHASAMBARANA Ny fahasambarana no ambony indrindra amin'ny fahombiazana ; izay re no fananarana tsy dia fanindrahindra fa azonao fafazana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anankiroa
ANANKIROA
Fredy Jaofera
ANANKIROA Zavatra anankiroa no ananan'ny olona tafita : ny fanginana sy tsiky ; tena marina tokoa, izay mihitsy no mba hita, hoy aho, mamikiviky.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vehivavy-3
NY VEHIVAVY
Fredy Jaofera
NY VEHIVAVY Ny vehivavy manana tsiky mampiteny ny fo, mitaona avy vao indro mikiky sao tsy hanan-jo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-fenoina
REHEFA FENOINA
Fredy Jaofera
REHEFA FENOINA Rehefa koloina itony fiainana ho soa, hahavariana rehefa hisy vatsy ; rehefa fenoina zavatra tsara ny loha dia tsy tafiditra intsony ny ratsy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fon-dreny
FON-DRENY
Fredy Jaofera
FON-DRENY Ny fon-dreny dia harena tsy azo indroa efa nomeny tsy hay fefena rehefa mifoha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-manontany
MISY MANONTANY
Fredy Jaofera
MISY MANONTANY Misy manontany raha mahatsiaro anao ny tena ; tonga dia tomany mbola maromaro no mandena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tongotra
NY TONGOTRA
Fredy Jaofera
NY TONGOTRA Ny tongotra no lasa ambony ka tsy hitany ny manahirana raha fanina mitady rongony sy mijaly tsy misy ifîkirana. Ny tongotra no lasa ambony ka ny loha tsy afa-mandeha raha indro fa marary vavony sy andosiran'ireo rehareha. Ny tongotra no lasa ambony ka mitsotsorika ny fitahiana ; atsy ho atsy dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-2
MILA
Fredy Jaofera
MILA (2) Mila fitsaharana ny vatana vao ho fivoarana mivantana. Mila fiadanana ny saina vao hitazanana maraina. Mila hafaliana izato fo vao hisy faniriana tena to.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/dinika-miaraka-aminny-vary
Dinika miaraka amin'ny vary,
Nosy Malala
Dinika miaraka amin'ny vary, Izaho no vary, tsy misy mahasolo, Ranonampango rehefa voadoro. Intelo isanandro, tsy ankiala eo, Antaonany maro fa tsy mankaleo. Izaho ovy te hanome toky, Saingy lazaina hoe, tsy mahavoky. Aleoko mangina fa saro-tiavina, Vary avy no mampiavonavona... Izaho tsaramaso maitso, vonona ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/raha-tonga-ny-fotoana
RAHA TONGA NY FOTOANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Raha tonga ny fotoana handaozana ny tany, aoka tsy hisy hitomany ; lalana hizoran'ny miankandrefam-bararavarana io, mifoaka toa tadio. Andriamanitra no mandamina ny fiainan'ny tsirairay, tsy misy ala safay ; Izy no mandahatra, ary mbola Izy koa no maka, azy irery ny laka. Efa miezaka isanandro manao ny kely met...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ho-sambatra
TSY HO SAMBATRA
Fredy Jaofera
TSY HO SAMBATRA Tsy ho sambatra ianao raha mikaroka foana hasambarana amin'izay rehetra atao ka mainka ho moana, tojo fiakarana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ny-sento
Ny sento
Ilay FANAMBY
Ny sento,, Sento hoy aho no anombohana Ny kompantanana anio ry mpanohana Seto satri mangoraka ny foko ka indro hafaliana sahady ny eo imolotro fa nahoana? Hoy ianao. sento-pitia ve? sentom-pahamanina ve? aaa ka! Senton-kafaliana Ny sento, Iray ambetim-piainana foana Tsy miala eo anoloana Ary koa tsy ho diva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahadiovam-po
FAHADIOVAM-PO
Fredy Jaofera
FAHADIOVAM-PO Ny fahadiovam-po dia hatsarana iray makadiry mbola manan-jo ny ho tamana fa mba faniry.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-alahelo-poezia
NY ALAHELO, POEZIA !
Fredy Jaofera
NY ALAHELO, POEZIA ! Ny alahelo, poezia tsy mety mionona fa ao re, matokia, ireo ainga vonona. Ny alaheļo, poezia milona ranomaso manamaloka fitia rehefa be an-kaso. Ny alahelo, poezia feno ratra miafina efa teny nankahia tsy hainao tarafina. Ny alahelo, poezia mifono habibiana nataoko tsy handia tontol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/babo
BABO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
BABO misamboaravoara e, ny onjam-pitia! mila tsy ho tana ny fitepon'ny fo, lalovan'ny kanto ity mpianjoria ka dia nibaribary ny maso ankiroa hatsaràna miserana ambany maso tsy havela handalo fa manimba saina araho maso kely dia antsoy hoe: andraso dia lazao avy hatrany izay anatin'ny saina veleso ny vy dieny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-rivodrivotra-maraina
NY RIVODRIVOTRA MARAINA
Fredy Jaofera
NY RIVODRIVOTRA MARAINA Ny rivodrivotra maraina raha anio ka tantaraina, mitondra ahy fitoniana tonga azoko itokiana ! Ny rivodrivotra maraina raha anio ka antenaina, mahafinaritra aok'izany, mamoha ho azy ny tany. Ny rivodrivotra maraina raha anio ka mba ilaina, mitsoka eto moramora ny fitahiana vao tanora...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raona/oviana
OVIANA?
RAONA
OVIANA? Oviana moa ny rariny no mba nahitanao rirany ? Oviana koa ny fiainana no nanome anao 'zay tsirony? Oviana ny andro lasa no nampody 'reo tomany ho zary hafaliana,hampitsiky indray ny ho avy? Impiry izay ny fonao no diso fanantena ? Dia mandrapahoviana ianao no hioty faharesena ? Raha nitady vato ianao,imp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rgis-rajemisa-raolison/ny-fanantenana
Ny fanantenana
Régis Rajemisa-Raolison
Raha misy mitady ny tena hafaliana Tsy azon'ny ratsy akoro, ravana, Dia tokana monja no azo valiana: Ny fanantenana! Ny fanantenana no afon'ampombo Midonaka lava ao anatin'ny fo; Raha sendra ny rivotra, mainka mitombo, Vao mainka mitombo raha misy manjo. Ny fanantenana no manampy antsika Hizaka ny mafy, tsy am...