url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telonohorefy/hafatra | Hafatra | Telonohorefy | Hafatra
Tia aho dia jamba
Voagadra, voafonja
Fa : "tsy hanariako lamba
Raha ianao monja ! "
Nanaja aho, tsy afenina,
F'ianao no lasana.
E! Dia zakao ny nenin'
ny tody any am-pasana !
Nodikainao ilay voady
Sy dina fahiny
Ka : "Mahaiza mibaby
ny lanjan'ny tsiny !"
Tsy tiana aho dia mionon'
ny teny hoe "misa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga-irery | TONGA IRERY | Fredy Jaofera | TONGA IRERY
Tonga irery ny fahendrena
amin'ny alalan'ny fijaliana
fa tsy zavatra nambolena
vao nivoy fahamboniana.
Tonga irery ny fahendrena
amin'ny alalan'ny fitsapana
fa tsy nipoitra na nomena
vao nitoeran'ny hatsarana.
Tonga irery ny fahendrena
amin'ny alalan'ny traikefa
fa tsy misosoka noterena
vao tsar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/hay-ianao-no-tiako | Hay ianao no tiako ! | Vetso mena | Nanandrana aho nitia, nanadrana ny hiara-dia
Dia nolaviko ianao, fa izy no mba niriako
Diso anefa aho, nisafidy ny ho tia
Olona efa nanimba ny fiainako sy ny fitiavako
Nilaozanao aho vao tsapako fa diso safidy
Nilaozanao aho vao nahatsapa fangirifiriana
Izao vao tena fantatro fa ianao ihany kay no izy
Ka iriako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mifandimby | MIFANDIMBY | Fredy Jaofera | MIFANDIMBY
Ny fitahiana sy ny olana
dia samy misy lalandava,
na rahoviana ka mitafa ;
ny masoandro sy ny volana
dia mifandimby manazava
amin'ny fotoana samy hafa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/masoandro | Masoandro | Nisainana RAFETRARIVO | Sarona rahona takona tsy hita
Toa maizina sahady
Nanjavona ilay masoandro nibaliaka
Ity lalako toa mizotra any an_kady
Toa mifandipatra izato tongotro roa
Tsy hitako izay aleha
Izay jerena toa manjavozavo avokoa
Ity lalako voafehy
Eto aho miandry
Ny hisavan'io
Ka ny lalako amin'izay
Hazava sy hadio
A/laozan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raona/tsiaro | TSIARO | RAONA | Ekeko fa misy ny fanadinoina
Rehefa mandalo ny andro sy ny ora
Fa hiverina ny lasa tsy mila antsoina
...ny hiaina ireny aloha ka tsy mora
Fa na inona vaikan' ny taona nandalo,
Ny fahatsiarovana akory tsy ho foana
Dia na inona sedra mikendry hampimalo :
Ny tsiaro mipetraka tsy resim-potoana
Ho avy ny andro, hand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/izay-tratrany-dia-voa | Izay tratrany dia voa, | Nosy Malala | Izay tratrany dia voa,
Misy mpiaro ihany ve ?
Ireo Malagasy marobe,
Difodifotrin'ny trosa,
Miavosa tena miavosa.
Ny Banky efa fangalana,
Ny maro hafa toa tsy tana,
Manjanabola etsy sy eroa,
Izay tratrany dia voa...
Voa satria ilay zanabola,
Ambony be tsy moramora.
Rehefa tapidalankaleha,
Dia raisina izay ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsisy-valiny | TSISY VALINY | NY HERIMAR | TSISY VALINY
Any ianao malala tsy haiko na mahay
Any ianao any, moa ve miasa saina
Ny tenako indrisy fa mangaihay
Ny fo sy fanahy tsy mitsaha-mitaintaina
Asa ianao any na mba salama ve
Tsy voaraiko intsony ny vaovaonao
Mandefa "Bonjour", dia iny tsy re
Raikitra, hono, fa be rahatao.
Alefako foana moa ny hafatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raisina | RAISINA | Fredy Jaofera | RAISINA
Raisina avy amin'ny fahoriana
ny lesona ngeza indrindra
amin'ny fiainana,
raha toavina dia be fitahiana
mitondra lamina sy rindra,
lavi-panaintainana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/anao-ny-safidy | Anao ny safidy | havotraniaina | Omena anao ny safidy,eo anivon'ny tontolo.
Eny! eo an-tananao, ny ho avy manontolo.
:;:...anjaranao ny manolokolo...:;:
Saina vatana fanahy, anananao daholo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/varavarana | VARAVARANA | Fredy Jaofera | VARAVARANA
Rehefa tsy mandondona
ny fitahiana,
manamboara varavarana
raha any anaty honahona
tojo fijaliana
sy tsy misy amaharana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-ohatra | RAHA OHATRA | Fredy Jaofera | RAHA OHATRA
Raha ohatra ianao
ka tia tanindrazana,
ataovy ny azo atao
fa ny asa, mazana.
Raha ohatra ianao
ka tia tanindrazana,
tohano sy hazavao
ny vahoaka tazana.
Raha ohatra ianao
ka tia tanindrazana,
ny kolikoly re ialao
hisy fahombiazana.
Raha ohatra ianao
ka tia tanindrazana,
ny sedra koa vahao
fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ranomaso-mangina | NY RANOMASO MANGINA | Fredy Jaofera | NY RANOMASO MANGINA
Ny ranomaso mangina
dia mavesa-pahoriana
tsy mba hay tantaraina,
mbola mahasavolaina.
Ny ranomaso mangina
dia mamoha fanaviana
naharatsy ny anjarako
tsy hipoiran'ny tsarako.
Ny ranomaso mangina
dia ireo fanambaniana
nandratra ahy ombieny,
isaky ny vao mankeny.
Ny ranomaso mangina
dia i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/kanto | KANTO | AnjaraNivo | KANTO
Mahavaky fo ny mpandinika,
Voary tsy fantatra anarana,
Mpivarotra enta-madinika,
Miavaka anaty laharana.
Lafatra ny endrika ivelany,
Raitra ny jery naterany
Babo amin'ny tsiky maderany izay
Olo-mandalo amin'ny tsenany.
Manja no sady bikàna
Hita amin'ny fomba fijadony.
Tsy hitako intsony ny hambara fa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/rehefa-tia | REHEFA TIA | AZRAEL | Ianao rehefa babo, ianao rehefa tia
Dia hadinoy aloha ny Filozofia
Hadinoy koa ny ambadika sy fika
Mbamin'ny kajikajy sy resa-politika
F'ilay fitia madio toa rivotry ny ala
No avelao hitsoka anatin'ny fonao
Ilay fitia toa rano madio mangalahala
No aoka hikoriana hitondra aina vao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyfandeferako/adidiko-izaho-sy-ianao | Adidiko : Izaho sy Ianao | Nyfandeferako | Moa ve tsapanao fa ilaina izaho sy ianao
Hatry ny omaly, anio , eny hatramin'izao
Ilaina isika mba ho avin'ny fiainatsika
Ilaina ho sangam-baton'ny tsiky
Na ny firenena na ny ankohonana
Na ny saikaiza na ny fiangonana
Dia mila zatovo mavitrika sy sariaka
Satria ireo no manodidina ny fiainantsika
Noho izany ry t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/lalaina | LALAINA | NY HERIMAR | LALAINA
Raha azoko natao ny mamerina anio
Ny lasa fahiny, tsy nisy angamba izao
Fa fo mirantandrantana sy fitiavana madio
No hany ilomanosantsika, izaho sy ianao.
Ianao tsy ho tezitra, aho tsy halahelo izany
Ny androntsika roa hilamina tanteraka;
Tsy hisy amintsika ny tebiteby sy tomany
Ianao hankatia, aho tena... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferanaii/antananarivo | Antananarivo | TsiferanaII | Fa toa hizotra ho aiza lahy izato rivom-piaianana
Azakazadava tsy hita izay hiainana
Eny adalan'eny tsy fantatra hoe hoaiza
Mifanena avoka ny mpiavana sy mpisakaiza
Zary lasa fiainana ilay rotoroto
Vao mifoha maraina dia injay fa reko ato ampoko
Manako tsy mihato fa toa fahazarana
Enta mavesatra tsy hita hifahar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyfandeferako/izao-no-ataovy-ao-an-doha | Izao no ataovy ao an-doha????❤❤ | Nyfandeferako | Izao no ataovy ao an-doha
Fa olon-tinao aho saingy taloha
Izao no ataovy ao an-tsaina
Ts ho tiako intsony ianao fa aza be taraina
Izao no ataovy ao an-doha
Efa tena adinoko ny momba antsika roa
Izao no aza adino
Ianao dia efa nosoloiko an'i Mino
Izao no ataovy ao an-doha
Fa raha ianao dia tsy ampitempo indray ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/an-koso-bolamena | AN-KOSO-BOLAMENA | Fredy Jaofera | AN-KOSO-BOLAMENA
An-koso-bolamena
mahafinaritra jerena
ny tokanana rehetra
fa tsy mba mitoetra.
An-koso-bolamena
mampanimba tena
tsy hivoatra intsony
fa mpieboebo irony.
An-koso-bolamena
dia mampahonena
fa feno fahantrana
ny nosy nigagana.
An-koso-bolamena
ka zary be tangena
izay andavanandro
mitady mas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/alina-fotsy | ALINA FOTSY | MAZ RAMANA | ALINA FOTSY
Mazava sy madio mangananganana iny lanitra iny izany
Feon-jorery tsy hita isa mikorana, injao manakoako any
Manday mitsela-baratra ao anaty tratrako ao, impolo kely ihany
Maheno diantongotra migadona, mizotra avy any antokotany
Sao mantsy mba ho ianao, nosembanan-tsiaro kely, nosintonin'ny vinany
No t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/voronkely-tsara-loko | Voronkely tsara loko, | Nosy Malala | Voronkely tsara loko,
Reo voronkely tsara loko,
Notiavina sy nokoloiko,
Sendra nivoha ny varavarana,
Lasa nandao, nikopatanana .
Dia namboarina ny saina,
Afaka izy, mba te hiaina.
Nefa somary nampanahy,
Ndrao maninona any lahy.
Ny fo niventso nanantena,
Vorono ô mba miverena.
Teo ambaravarankely,
Izy....to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ilay-lolo | ILAY LOLO | NY HERIMAR | ILAY LOLO
Hotiaviko eny foana na tsy nitoetra
Ianao ry zanadolo tao an-jaridainako
Tsy hiasako saina fa aina no fetra
Fa tiko ho fanilon'ireo tantely ananako.
Baraingo maro sosona ny rahampitsonay
Saingy hijoro hatrany hikolokolo azy
Tsy te hanenina aho hoe tahak'izay
Ilay taho maniry tsy natao am-bazy
Tsy ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-farany | MISY FARANY | Fredy Jaofera | MISY FARANY
Malina
fa tsy misy rindra
ny anarany ;
ny alina
maizina indrindra,
misy farany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijosiana/voady | Voady | Rijosiana | Na ory na faly
Na salama na marary
Dia rano sy vary
Lamban'ankoho no tarigetra
Ka aina no fetra
Faty no hisarahana
Ka ho mandrakizay ny fiarahana
Voady no omeko
Ka izay rehetra mombanao ekeko
Na ny ratsy na ny tsara
Ianao no anjara
Ka hoataoko tsara karakara
Matokisa ianao ry malala
Fa na iza ankahala anad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miaro-tanjona-ramaherison/volana | Volana | IZY | Volana
Io fa manjelatra ny volana,
amin'ny mamantona alina.
Ny olona efa any amin'ny nofy.
Izaho anefa mandinika azy.
no sady mangina.
Noresahiko taminy ny alaheloko.
Tsy namaly anefa izy, fa ny fahanginany no nampitony ahy.
Ny rivotra mangatsitsika nitsoka avy aminy no nanafosafo ahy.
Reraka aho ny andro,
ko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/tsikalakalam-pitia-roman-damitie-amour-vacance | TSIKALAKALAM-PITIA | AZRAEL | Tsikalakalam-pitia no namatotra antsika,
F'ianao mbola zaza, ary izaho mbola ankizy,
Kinanjo ankehitriny aho mila hivika
fa lasa fitia latsa-paka ilay izy
Fitia kilalao no saika hatao
Noho ianao tia sangy sy mivazivazy,
Kinanjo nivadika indray amin'izao,
Fa tiako hofaranana amin'ny mariazy
Ny fialan-tsasatra na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/itsikiana | ITSIKIANA | Fredy Jaofera | ITSIKIANA
Na inona moa
ny fisainana
misy hakiviana,
mamy kokoa
ny fiainana
rehefa itsikiana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/any-enao | Any enao | Ilay FANAMBY | Any ianao,
Any enao,any lavitra any
Asa hoe manahoana
Ny foko tsy aty fa any
Ny vatako sisa etoana
Any enao tsitako tsony
Asa na mbola manantena
Mila tsy ho haiko aky ny hitony
Asa enao na mba onena
Eny aky,mirary anao mba ho tsara
Fa ny antsika ty efa nifara
Ny penina sisa no hanambara
Ho vetso ny taranak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/saotra | SAOTRA | AnjaraNivo | SAOTRA
Ilay nahavita nanitsaka karazam-pejy maro,
Hitanao daholo rehefa teny mifangaro.
Tsapanao ny ratra dia tsapanao ny fery;
Ianao no lohalaharana nahafantatra azy ireny.
Manam-boninahitra amin'ny sangan'asa nisy;
Vatranao napetraka ny "sentom-po" sy "indrisy",
Hatramin'ny alahelo nodimbiasan'adin-tsaina:
Ne... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/raha | Raha ... | Ny Radontsoa Mamiratra | Raha hirahira ho anao no hokaloiko,
mba ngadona inona no omeko anao,
R'ilay misitery nandrava ny nisy ?
Raha tononkalo no hany hovetsoiko,
Sarin-teny inona no harindrako ao
hanaronako ny hafaliam-poko mitsiky ?
Raha toa ka fitiavana izany trotroiko ...
Rahoviana, rahoviana vao ho fantatrao
R'ilay lasa solofon'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/mandehana-ry-sakaiza-28062022 | Mandehana ry sakaiza | Vetso mena | Mandehana ry sakaiza, aza miverina akory
Avelao aho ho irery eto fa ny lalanao no zory
Ny tanjontsika samihafa, eto no misampana ny dia
Ry sakaiza mandehana... Avelao ny foko hiriaria
Fa isan'andro lava izao, dia izaho no vato misakana anao.
Iriako ianao ny handroso, fa tsy tiako ho lavitra sao hifandao.
Androan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/tantaranay-sy-i-mia | Tantaranay sy i Mia | Ted Raz | Tantaranay sy Mia
Nitsiky fa hoe kanto iny asa soratra iny
Dia hontsa ery ny fo namarana ilay tonony
Nasiany lohateny hoe "Tantara nisy tsiny"
Nefa tsy azy akory ny rima izay nangoniny
Tantaranay sy Mia no nanainga ny fanahiny
Tantara fohy kanefa hainy tsara no nandika
Namadika ho kanto ny rehetra sy ny ampahany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/tia-izy | Tia izy... | Ted Raz | Tia izy...
Na mahantra sy mijaly ny fiainandavanandrony
Na rovitrin'ny ankaso ny fitafy sy ny akanjony
Tia izy... manana fitia
Maniry mba hiadana,hianoka hankafy
Te ho tiana dia ho tiavina hatsapa fifaliana
Te hiraina koa ny anarany raha misy faniriana
Tia izy... mitovy aminao
Misy fo mitempo ao antratrany ao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/tony | Tony | Ted Raz | Tony
Efa tony hono ny fony
F'aza manahy intsony
Ny amin'ny tebitebin'tsainany
Efa ritra ireo tomany
Sy efa mirana aoka izany
Ny andon'ny marainany
Hono adinony ny lasa
Sy izay rehetra nandratra
Fa ny ho avy no banjininy
Nataony toy ny tsisy
Na ny indrisy na ny tsiky
Na ianao nofihininy
Lalan'kafa tsisy ana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyfandeferako/ny-safidy | Ny safidy | Nyfandeferako | Ny safidy ve ?
Amiko; tena mangidy
Ny safidy ???
Ilay saina tsy azo amidy.
Ny safidy no mampirisika hanapa-kevitra
Ny safidy , tsy ilàna toro hevitra
Alohan'izay, alaivo ambony alaivo ambany
Fa ny safidy dia tsy maintsy misy Raha mbola an-tany
Raha androso na hihemotra
Dia tadidio fa hisy zavatra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/tsiaro-hoani-h | Tsiaro hoan'i H.... | Ted Raz | Tsiaro kely ho an'i H....
Nanerika malefaka ny masoko f'indrisy
Niverina indray maka nanala indray ireo tsiky
Nisokosoko miadana manafika ny foko
Ny rehetra momba anao no indro fa tsaroako
Efa naleviko ny lasa hiatrehako ny ho avy
Fa saingy misy avelo
Mamohafoha halaelo
Tsy mamela ahy hiady
Dia raraka sahady
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/tsy-vita-mora | Tsy vita mora | Ted Raz | Tsy vita moramora????
Nifanaiky tany aloha
Fa na ny ratsy na ny soa
Dia hiarahana mizaka
Nivoady ny ho eo foana
Ka tsy ho levon'ny fotoana
Na ho tsiky na ho ratra
Dia hoe zao ianao no leo
Ka ho faranana eo
Ilay fiarahana hatrizay
Nga izy ito sangisangy
Ka raha sendra misy ny ady
Dia hoe vita, aoka izay
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/tiako-ianao-na-dia | Tiako ianao na dia... | Ted Raz | Tiako ianao na dia...
Tiako ianao na dia...
Somary vazivazy
Ilay fitiavantsika roa
Tiako ianao satria
Nameno tambitamby
Ilay fery tao ampo
Tiako ianao na dia...
Tsy nisy nahalala
Fontsika nifandray
Tiako ianao satria
Nekeko ho malala
Sy ho mandrakizay
Tiako ianao na dia...
Nisy elanelantany
Nisy elanelan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/tia-anao-sahady | TIA ANAO SAHADY | AZRAEL | Tia anao sahady
Nanaiky resy tsy niady
Babonao tanteraka
Ka trotraka sy reraka
Tsy mety hahita tory
Fa mangatsiaka ngolingoly
Tsy mety tana
Fa mila hafanana
Ianao anefa tsy mahalala
F'izaho aty mila hafanana
Tsy tsapanao fa ny foko
Dia velon-tsento sy toloko:
Nitia anao an-tsokosoko...
Ifonako raha hadisoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyfandeferako/malemy-aho | Malemy aho | Nyfandeferako | Tsapako ho nalemy aho hatramin’izao
Eny , nalemy teo imasonao
Eny na inona na inona natao
Dia mbola malemy aho hatramin’izao
Raha tsapanao aho nalemy
Dia indro ianao nanararaotra azy ireny
Na tamin’ny feo izany , eny, na tamin’ny teny
Izany , tsy mba nosaininao velively
kanefa raha malemy aho
Tsy midika fa ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/ianao | Ianao.... | Ted Raz | You raise me up!!
Notsipelatrao hazava ny haizin'ny tantarako
Raha mbola jambena ny masoko nijery
Nosalorana ho kanto ny hevitrin'ny anarako
Hitsiky ny fisiny ny foko kely hery
Noraisinao hafana ny tanako efa ngoly
Natrakanao ny lohako hibanjina ny ampitso
Ankasahina sy fitiavana ianao no nitory
Fa "tia" tsy ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/misy | Misy... | Ted Raz | Misy
Misy rangotra toa soratra
Nipetraka ho sonia
Misy ratra efa manolatra
Navelan'ny fitia
Misy aloka miserana
Mamokotra ny lasa
Misy tsiky iray noferana
Tsy hamadika ny rasa
Misy teny "tiako ianao"
Mbola miaina nefa dangy
Misy tsiaro tsy mandao
Tsy matory fa misangy
Misy maso leo tomany
Minia ditsoka hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/rehefa-tia | Rehefa tia | Ted Raz | Rehefa tia
Miova ho endrika sariaka ilay tava-malokao
Mitsiky ny tontolo ilay molotrao makina
Toa vonona hiatrika ilay hoavinao vaovao
Ny anatinao mifaly anilan'ilay tiana
Toa zary zava-poana ny rehetra hita maso
Rehefa misy ny ady kely mandratrandratra fo
Namela azy andeha nefa mihika hoe endraso
Tsy foinao ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/ny-fisinao | Ny fisinao | Ted Raz | Ny fisinao
Raha marary ka milofika ny anatiko toloko
Na maloka ny lanitro fa sendra fahakivina
Ny fisinao no hany mampahery indray ny foko
Mandrisika ahy androso, hiady ampitoniana
Na fantatro f'ho rava izay natsangako rehetra
Ka andalo ny fisiko hoan'fiainana eto antany
Na hiserana ny maro fa raha kosa ianao hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/hoanny-saina-b%C3%A9-fanapaka | Hoan'ny saina bé fanapaka | Ted Raz | Hoan'i saina be fanapahana
F'angaha raha hoe nisaoma
Sy revon'ny alikaola
Dia saininao sahala
Ny fihevitrao sy ny azy?
Fa tsy mety raha mangina
Manafina izay tiana
D'izao ho toy ny adalana
No dikan'ilay "kôzy"
Tsssh, mbola zaza loatra
Dia faly hanararaotra
Ny fahabangan'ny "misy"
Mitohana hanoloana
D'izaho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/rariny-tody | Rariny | Ted Raz | Rary (-ny) tody
Fanala no nitsena ny fotsika niray tamin'ny alim-pahavaratra
Nihoatra ny ankaratra ny avon'ny ilay tendro nihanihatsika
Endrikao mitsiky no nasehon'ny fitaratra
Tsy fantatro izay sazy
Kanefa masoko tomany no mibanjina azy
Voazaran-tsato-by tsy azoko hihoarana ny fefy nanoloana
Dia sento fahazaran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/iny-oroka-iny | Iny oroka iny | Ted Raz | Iny oroko iny
Bitsibitsikin'ny moana no mby manakoako
Niantsa ny fitia
Niventy irony fy
Nanaitra ilay adala mifitsapitsaka ato
Fa tonga teny antsofiny ilay feoan'anjely niantso
Mikiry sy tsy miato
Nandratra indray nofy efa mandri anjiran antsy...
F'izay no izy mantsy
Indrisy indrisy foana ny sentosento laliny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/jamba | Jamba | Ted Raz | Jamba!
Tsy tsapanao f'angamba ny fonao efa jamba
Tsy hatazana hafa intsony akotran'ny fitsikiny
F'izaho 'lay sasa-miandry ny hamenonao ny banga
Nahilikao antsisiny
Dia maminao na tsy ampy aza ny kely izay natolony
Tsy hanampy anao hafana f'hitarika fanala
Ianao mandray ampo fa ny azy hatreo imolony
Eny e, tia i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/samy-mazava | SAMY MAZAVA | Fredy Jaofera | SAMY MAZAVA
Samy mazava
amin'ny fotoanany
ny masoandro sy ny volana,
na tazana lava
efa aman-taonany
indrindra rehefa misy olana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/heritaona-tahaka-izao | Heritaona tahaka izao | Ted Raz | Heritaona tahak'izao...
Heritaona tahak'izao,
Mbola tia ahy ianao
Mbola nisy isika
Niara-paly sy nitsiky
Mbola nisy paradisa
Fa ny anio... indrisy
Asa raha tsaroanao fa...
Ny andro no misosa
Ny volana no miova
Fa ny ao ampoko kosa
Mijaly mitomany
Fa toy ny vao omaly
Iny fisarahana iny
Nofeheziko ny saiko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/antsoni-mbola-tia | Antson'i mbola tia | Ted Raz | Antson'i mbola tia
Sinepotrin'ny rivo-mamanala ny ampitsoko aho
Malala ô?
Mivezika mitady ny hasambarako fahiny
Miverina mi-haody ilay fonao aho, malala ô
Te hiaina indray ilay hanitra teo anilanao iny
Miredika matsiaro ireo vitan-tsika rehetra
Mivavaka mangina aho mifona hoan'ny foko
Fa gadran'ny omaliko ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/vavaki-anja-kely | Vavak'i Anja kely | Ted Raz | Tompo ô!!!
Nolazain'i neny omaly
Fa raha toa ka misy jaly
Na halahelo izay tsy zaka
Dia Ianao no mampitraka
Nolazain'i dada ahy koa
Fa raha misy ny manjo
Mapanjombona ny saina
Dia Aminao no mitaraina
Tompo ô!!!
Malahelo anie ny foko
Rehefa i neny mitoloko
Voa-opa sy voavazavaza
Toa ampijalian'i dada
Mba m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/dia-misy | ...DIA MISY... | Fredy Jaofera | ...DIA MISY...
Rehefa hasambaranao
ny hasambarako
dia misy ny fitiavana
miredareda ka katsaho
ny feon'ny fararako
ho kanto fa mavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/hafatra | HAFATRA | Zoky Eric | Fa nankaiza izato aingan'ny fanahy
Ry Poeta namako, vavy sy lahy
Tsy maintsy ho lazaiko
Fa tena mankarary ny aiko.
Mankarary ny aiko ny mahita sy mandre
Ireo asa soratsika mivangongo maro be
Nefa indrisy mantsy
Fa toy ny tsatok'antsy
Manindrona ny foko, mandrotika ny aiko
Fa nahoana ianao ry soratro no tsy mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/to | TO | Fredy Jaofera | TO
Ny fahasambarana
dia nofim-pahazazana
to amin'ny fahalehibiazana ;
tokim-pamaharana
tsy mba tiana hialana
fa mamony fahombiazana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/ny-fahalemeny | Ny fahalemeny | Ted Raz | Ny fahalemeny
Tsy nitiavanao azy iny
Ilay izy toa voahozona hilanja sy hiambozona
Kilema tsy niriny...
Fa satriny aza anie
Hitovy sy ho sahala amin'ny olo-tsisy tsiny
Ho tahaka ny rehetra...
Di nahilikao hianjera
Hitomany fanipitony ny fisiny eto antany
F'izy anie manan'kilema
Nasongadinao ho heloka nini-nata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/lasa-namako | LASA NAMAKO | Zay LAFATRA | Misy tena misy ny olona tia fa tsy tiana,
nitandremako ny tsy ho fahavalo,
Tononkalo malahelo mingadom-pahoriana,
no indro mba ho naman'ity fiainako mandalo.
Ilay tiako notiavoko tao anaty taona maro,
dia indro fa ho namako.
ilay fitia izay nigohako tsy nifangaroharo,
dia lasa tena mamiko,namako malalako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-izaho | RAHA IZAHO | Fredy Jaofera | RAHA IZAHO
Raha izaho
no nahasambatra azy
dia faly aho
ankehitriny ka fohazy.
Raha izaho
no nanala ny ratrany
dia ivavaho
ho tiany eo an-tratrany.
Raha izaho
no namelona ny hirany
dia hazavao
fa ny aty, azo ifikirany.
Raha izaho
no nanova ny hoaviny
dia ampitao
raha ilay olona tadiaviny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ho-avy | Ho avy...... | havotraniaina | Ireo mpaminany,
Niteny faminaniana,
Ho avy ny Mesia,
Hitondra fahazavana.
Ny olona nitady,
Nitady famonjena,
Aiza ny Mesia?
Lazain'ny mpaminany.
Io no tantara,
Tantaram-pamonjena,
Ho tonga ny Mpamonjy,
Hitondra famonjena.
Nisokatra ny lanitra,
Izy avy ao an-danitra,
Tonga zazakely,
Natrehan'ny Anjely.
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/nankaiza | Nankaiza ? | Ny Radontsoa Mamiratra | Nankaiza ny kirin’ny saina
nanohitra ireo nofy adala?
Fa vetso no sisa hirain’
ny foko mitady malala …
Nankaiza ireo herisetran’
ny tanjona iadiako androany
No lasa namela hitoetra
an’izany fihetsem-poko izany?
Nankaiza ny hamafin’ny fo
Fa fitiavana sisa tavela ?
Natsonikao tao avokoa,
R’ilay niditra nefa ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/diso | Diso | Ted Raz | Ditra ange ny antsika e, Efa hitanao ny marina
F'ianao mbola minia sy miezaka manarina
Mikolo tsy ankiteny sy angalatra sonia
Fa lainga izay ho matotra na tia ianao na tsy
Satrinao fa haiko ny lalanay hisampana
Ny andratra ny fony sy animba ny tantana
Ekeko nisy isika fa lesoka nandalo
Tiako loatra izy ka tsy fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/haiko | Haiko | Ted Raz | Efa haiko fa tsy ahy ireny sentonao mangina
Lazainao sisan'embona mandalo ny tsiaro
Fa kalo ratsy tefy noterena hiady rima
Ilay "tiako ianao tsy andalo"
Efa haiko fa ny sariny no mby andohanao
Rehefa iny ianao variana tsy mahateniteny
Fa hosodoko moana ireo vita sy natao
S'ilay voady tamin'ireny
Efa haiko fa ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/ampindramo-elatra | Ampindramo elatra | Ny Radontsoa Mamiratra | Ampindramo elatra aho hoentiko hanakatra
‘reo nofinofy mamy niery ny fisiako ;
Hoentiko hanarina ny foko tafalatsaka
an-davaka mangitsoky ny fery ijaliako …
Ampindramo elatra aho, hoentiko hitety
ny habakaba-mangan’ny fiainam-pifaliana,
Fa ts’isy antra loatra ny orana nisesy :
namonto ny efi-trano nataoko fitodi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/nivoady-ianao | NIVOADY IANAO... | NY HERIMAR | NIVOADY IANAO...
Mbola tsy maty fa tsara kolokolo
Ilay voadinao nafafy tato anaty
Ianao ilay niteny fa tena tsy hanolo
Ary izaho ho anao mandrapahafaty.
Nivoady ianao fa n'inona hitranga
Ny fitiavanao tsy hanam-piovana;
Ianao moa no mpameno ny banga
Ka indro ny foko nitoetra sy tamana
Ilay hafantrao tao anaty ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/angamba | Angamba | Ted Raz | Angamba
Raha ny kalon'ny valiha no nandrotsy anao hatory
Fa ny ezako mitendry tsy mba tsapanao am-po
Mendrika ahy ny hangina tsy hilaza izany intsony
Fa vetso diso kendry ny momba antsika roa
Raha tahotra ny ho irery no nandraisanao ny tanako
Fa tsy ny fo no nino hoe anjara no niraisana
Moa misy sombiny ihany na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-olona | MISY OLONA | Fredy Jaofera | MISY OLONA
Misy olona tsy faly
mahita anao misondrotra,
mahatsiaro mijaly
ka ny misy, tiany hiongotra.
Misy olona tsy faly
mahita anao ho metimety
manova ny omaly
ho fahombiazana sy fety.
Misy olona tsy faly
mahita anao ho tony foana,
tsy mba te hamaly
rehefa sendra tafahaona.
Misy olona tsy faly
mahita a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ted-raz/fery-hiombonana | Fery hiombonana | Ted Raz | ...fery hiombonana
Laingalainga ny hoe very dia efa samy nanadino
Ilay sary notsipelatra lazaina ho paradisa
Fa tsy izaho irery fa isika samy mino
Hoe mety mbola hitohy ilay tantara-kelitsika
Ratra kely hiaraha-manana anie izy io malala e
Toetra ratsy nitovizana ilay manamafy fo
Tsy misy iray disoana fa f'isika ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/moana | MOANA | Fredy Jaofera | MOANA
Moana ny tena fahoriana
namoizana an'ireo akaiky fo,
ranomaso be mikoriana
no mamelona ny zava-nanjo.
Moana ny tena fahoriana
nanimba ireny hasambarako,
sentosento, fangirifiriana
no manaloka kely ny tsarako.
Moana ny tena fahoriana
nivonto alahelo hatry ny ela,
indraindray ange fijaliana
no miranga, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/tongava-soa | TONGAVA SOA | AnjaraNivo | TONGAVA SOA
Mikisaka mora manaraka ny andro,
Mihavery mihavery ny fahavelomana.
Tsy maintsy mitranga ny loza sy atambo,
Ka firy amintsika no mba efa niomana?
Ny tany fisiana koa lalana ihany;
Lalovana fotsiny saingy mandavo.
Raha ho avy izany ora tsy ampoizina izany,
Ny anaranareo ve mba fantatry ny avo?
Marin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/i-z-y | I Z Y | Nisainana RAFETRARIVO | Modiako mitsiky dia mba tsy fantatra
Tsy asiako soritra hita aty ivelany
Hifaliako na mbola akamantatra
Ny ratra...izay navelany
Hisentoako kely fa vizana sy ketraka
Tsy atao kivy sanatria
Fa mbola vonona hiezaka
Hiandrandra ilay fitia
Tsy ho tsaroiko ireo tsiaro ratsy
Izay niarahana taminao
Ilay naranitra to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volafiha/foko-a | FOKO A! | VOLAFIHA | Foko a!
Meteza akia ho tony
Aza sainina ny lasa
Sao sanatria indry hikomy
Tsy hanohy intsony ny asa
Ny asandry.
Raha 'zay no hisy dia ho loza
Fa hevero ireo adidy
Hevero, indrindra ireo ankizy
Ka mitonia akia ry foko a! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-ray-amandreny-raha-miteny | NY RAY AMAN-DRENY RAHA MITENY ! | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ny ray aman-dreny raha miteny,
tsy manery ;
fa ny hahasoa ny zanany,
sy ny taranany.
Ny ray aman-dreny raha manoro,
tsy hanorotoro ;
fa ny hisoroka ny mety hahazo,
sy ny tarazo.
Ny ray aman-dreny raha tsy matory,
be ny sorisory ;
amin’ny fahasarotan’ny fiainana,
tsisy itarainana.
Ny ray aman-dreny raha hita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-lava-aza-ny-alina | NA LAVA AZA NY ALINA | Fredy Jaofera | NA LAVA AZA NY ALINA
Na lava aza ny alina,
ho avy ny masoandro
hanazava ny fianako
tsy ho tebiteby lalina
tahaka ny isan'andro
ilay mba marainako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferanaii/hafa-mihintsy-ny-ahy | Hafa mihintsy ny ahy | TsiferanaII | Moana hono aho ka tsy nahateny
Milaza foana izy fa azy ny marina
Ka ny hany naveriny ombeny ombeny
Efa lavo ianao ka tsy ho tafarina
Mifaly ahy izy hoe efa potika
Tapitra atreo hono ny fanantenay
Ilay heriko vao nitranga de efa rotika
Tsy ho tafarina tsony fa ampy izay
Dia nanomboka niteny aho namaly moramora... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mba-mailo-ihany-e | MBA MAILO IHANY E ! | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mba mailo ihany e !
eo amin’ny manodidina ;
sao voa vao manidina.
Ary koa ho fanimpanina ;
hianjera an-drano lalina.
Mba mailo ihany e !
Be loatra ny mpisompatra ;
ny fialonana mirongatra.
Maro ireo te-handavo ;
tiany ianao ho mavomavo.
Mba mailo ihany e !
Aza dia tsotra loatra ;
avy eo vao mitroatra.
Mila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferanaii/afatra | Hafatra | TsiferanaII | Raha ho lasa ianao aza manadino ny akany
Mba tsarovy avokoa ireo sentotsika sy tomany
Lasa ianao ka hitady ny mahasoa
Ny hany hafatro dia ny hoe mirarisoa
Lasa mety tsy hiverina intsony hanadino ny omaly
Hifindra tontolo fanindroa, hifaly fa efa hafa jaly
Ny any ankoatra mantsy hono no fianana
Ka dia hofoana atr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-afaka | TSY AFAKA | Fredy Jaofera | TSY AFAKA
Raha misy ny tena fitia,
hoy aho, mahaiza
mitahiry ireo ora sy datiny ;
tsy afaka hivoy poezia,
na aiza na aiza,
'reo matory ny ao anatiny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamaly-faty | MAMALY FATY | Fredy Jaofera | MAMALY FATY
Ny olona ratsy
dia mamaly faty
amin'ny fanaovan-tsoa,
hanam-batsy,
tsy ho poak'aty
ny farany fa hisy voa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hajao-ny-safidiko | HAJAO NY SAFIDIKO | Fredy Jaofera | HAJAO NY SAFIDIKO
Hajao ny safidiko
ka aza sakanana
fa zo sarobidiko
matoa re tanana.
Hajao ny safidiko
ka aza viraviraina
fa tao ny ngidiko
tsy nohazavaina.
Hajao ny safidiko,
aza hamaivanina
fa izany no didiko
tsy mahamanina.
Hajao ny safidiko,
aza enjehina kosa
dia indro ny sidiko
ho toky miavosa ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/ny-poeta | ny poeta | cedarf | poeta malahelo sy vesarin'adin-tsaina
tambazana hakiviana sy sento mankadiry
no sary mby mipaka anaty ka isaina
ny sombi-kafaliana, sisa , voatahiry.
poeta adala foana, te ho tompon'ny tontolo
hamangy indray miserana ny tany boribory
hanao fafy katrana ny tsiky bobongolo
hamboly vetsom-po, trotroka sy ory.
ny p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/hanompo-vahoaka | Hanompo Vahoaka, | Nosy Malala | Hanompo vahoaka,
Hanompo ngeza, sa hanompo vahoaka,
Iza amin'ireo no mety hahatafavoaka ?
Ndrao diso safidy, ho very ny ho avin'ny ankizy,
Isika mianakavy, miara-mizaka ny kirizy.
Ny manompo vahoaka, hivoaka ho mpandresy,
Izay mirehareha mantsy hono dia aetry,
Asandratra kosa ireo manetry tena,
Mpanompo vahoaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/iny-vehivavy-iny-20 | INY VEHIVAVY INY 2.0 | MAZ RAMANA | Tsia...
Tsy ho tonga lafatra nahoviana nahoviana iny vehivavy iny.
Feno fahatezerana sy ketoketo-po ny tontolom-piainan'iny
Tsy ho fantatr'iza n'iza intsony izay didiany tsy hipoitra,
Na mihoatra aza...tsy miandry fendrofendron'izan'iza hiara-hory ny ranomason'iny!
Satria...efa nianarany ny fomba hizogana ny hazo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nysoratro/eo-mba | eo mba.... | NySoratro | Na anio fotsiny tsy maninona,fa tairo eo mba ataovy tsapako ilay atao hoe hamamiana
Efa lasa fiainana mahazatra manko ny ahy ny mitomany fa tairo eo mba asio fifaliana
Ady lava ny fiainako, mitolona mafy f'indrisy tsy mety maharesy
Fa androany ataovy azoko ny hamboara, eo mo e!! tairo eo mb ataovy izay mety
Miezaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tahirintononkalo | Tahirin'Tononkalo | Nosy Malala | Tahirin'Tononkalo,
Raha namadibadika,
Nitsidika, ireo tahiry,
Tany ambadikin'ny lavitra,
Nandalo kely dia nivily.
Hay ve k'efa notoriana,
'reo hevi-maro izay lazaiko,
Fotoana maro aty aorina,
Mbola indro andrandraiko !
Eny nisy lohateny,
Tsisy valaka, nitovy.
Ny tao ampo no niteny.
Fanahy niainga ô tsarovy.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/ilay-fitiavana | Ilay fitia | Nisainana RAFETRARIVO | Any aminao no niantsapazany
Any aminao ilay toerana
Any angamba no tazany
Any ilay fanaperana
Aminao no nandrisika azy
Namporisika ilay fitia
Aminao no te ahazo
Anao no tena fy
Ka inty raiso ho anao ny foko
Raiso aza avela intsony
Mangahiahy raha mitoloko
Ka miandry ny sitrakin'ny fony
#Ambohitsilaozna |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/klavious/tsy-adalatsy-akory | TSY ADALA,TSY AKORY..... | Klavious | Misy ireo milaza
F'ireo filôzôfa dia olona adala
Ka nefa jiro mpanazava
Ilay manam-piniavana hahalala
Dia ambara ombeny,ombeny
Fa adala hono izy ireny
Nefa mamoha ny fanahy matory
Fa tsy hoe adala,tsy akory
Hirahiraina etsy sy eroa
Hoe:adala ny mpanao filôzôfia
Esoina,tsy asina dikany ihany koa
Omena solon'a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nyfifanampiana | NY FIFANAMPIANA | Fredy Jaofera | NY FIFANAMPIANA
Ny fifanampiana
dia fifankatiavana
mitrotro hafaliana
afa-mampihavana.
Ny fifanampiana
dia fifanohanana
mivoy hamamiana,
mivatsy fiadanana.
Ny fifanampiana
dia fifarimbonana
am-pirahalahiana
'reo sedra ironana.
Ny fifanampiana
dia fifanomezana
tanana hahaliana
ny fankaherezana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samuel-randria/ny-tenin-drazako | Ny tenin-drazako | Samuel Randria | Teny
Niarahako nibada
Nianarako ny Dada
Nahaizako ny Neny
Teny
Namoronana ny hevitro
Eny,
Nilazako
Ny feon’ny fon’ny hazazako
Te hahay
‘lay teninay
Tamin’izany, hasambarako
Ny tenin-drazako…
Dia nitombo teny ny fahaizako
Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako
Nahavatra, tena vantana amiko
‘Lay teny gasy te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tiavo | TIAVO | Fredy Jaofera | TIAVO
Tiavo aho
hahitana torimaso
sy handao
ny efa ranomaso.
Tiavo aho
hahitana fitoniana
ka anjakao
hipoiram-pifaliana.
Tiavo aho
hahitana fitiavana
kanto vao
lasa fahasoavana.
Tiavo aho
hahitana hafanana,
ary hirao
hitoeran-kazavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/navily-lalana | NAVILY LALANA | Fredy Jaofera | NAVILY LALANA
Navily lalana ny vola
ka sahirana ny tany ;
ny misy mahanjola
sy mampanontany.
Navily lalana ny vola
ka trotraka ny olona ;
tsy afaka avy hidola
fa ao anaty tolona.
Navily lalana ny vola
ka mikatso ny vina ;
izao re no volavola
nosainina mangina.
Navily lalana ny vola
ka tsy tojo fivoarana ;... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiadiako | NY FIADIAKO | Fredy Jaofera | NY FIADIAKO
Ny fiadiako
dia finoana
sy fitiavana,
tsy ampiako
na soloana
fa goavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andro-mafy | ANDRO MAFY | Fredy Jaofera | ANDRO MAFY
Ny hevitra afafy
tsara ho ohatra,
alefa mankany :
ny andro mafy
dia mamokatra
olon-toy izany ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ralaizandry-michel/lozanao-rafahafatesana | Lozanao rafahafatesana | RALAIZANDRY Michel | Mba valio aho hoe hankaiza
ilay vadiny aman-janany
izy mpiahy sy mpitaiza
no nalainao teo antanany
Ny ray sy reniny banjino
osa vatana, ontsa fo
mahita maso fa tsy mino
tsy manaiky izay manjo
Ary izahay fianakaviany e
sy 'reo namany rehetra
raha ny tianay sy ny tiany
dia ny hiaraka hitoetra
Tonga ianao niva... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferanaii/zandry | ZANDRY | TsiferanaII | Zandry ah… ianao ilay milaza resy foana amin’ny fiainana ?
Milavo lefona hoe tsy mba manana hitarainana
Isanandro izao mahatsapa toa resy tsy miady
Ilay masoandro vao mihiratra toa efa maty sahady
Nahilikin'ny fiarahamonina hoe tsy misy mitia
Ny fiainanao vao misandratra dia toa voafingana ny dia
Akorain’ny mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferanaii/ny-tanananay | NY TANANANAY | TsiferanaII | NY TANANANAY
Mba mahafinaritra sy mahamanina lahy
Izato tanana izay onenanay
Toa fonenana mamy ho ahy
Tsy mba nankaleo ahy atramin’izay
Eo ampitan’ny havoana maro loko
Miendrika kanto raha indray mitopy
Miraikitra tsy afaka ato am-poko
Mazava hoazy fa tsy mitsilopy
Lavitry ny masoko izy ankehitriny
Toa siosi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/mangataka-fahendrena | Mangataka Fahendrena | havotraniaina | Mangataka "FAHENDRENA"
Ireo zavaboahary,
Nataon'ny Zanahary,
Isika no voatendry,
Hiasa sy hanendry.
Hitandrina hiasa,
Hanapaka hampiasa,
Isika no mandidy,
Nomena ny adidy.
Saina vatana fanahy,
Olombelona izany,
Ambony sady tsara,
Ambony fahalalana.
Miavaka isika,
Tsy toy ny zavaboahary,
Navahan'ny Mpahar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-poezia | NY POEZIA | Fredy Jaofera | NY POEZIA
Ny poezia
dia ny teny
tonga ao am-po,
misy ftiia
lavareny
'zay tsy mety lo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doda-rakotonarivo/tanety-lava | TANETY LAVA | Doda Rakotonarivo | Tsy noho ireo miaramila Sonegaly sy vahiny
Nirongo fiadiana tamin’ny andro fahagola
No mbola mahatonga ny Malagasy ankehitriny
Ho farahidiny hatrany, mbola gisitra sy kola
Tsy noho ireo mpanjanaka namono sy nangeja
Enim-polo taona lasa izay, eny efa mihoatra
No mahatonga ireo mpitondra ambony miady seza
Sy ny va... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manao-ny-marina | MANAO NY MARINA | Fredy Jaofera | MANAO NY MARINA
Manao ny Marina
no sahirana
isaky ny miarina
ka tsy mirana.
Manao ny Marina
no mahantra,
manjary mivarina
tsisy antra !
Manao ny Marina
no tsy tiana
ka fenoina harina
sy fijaliana.
Manao ny Marina
no enjehina
raha toa re itarina
ka potehina. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.