url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/andao-hiverina
ANDAO HIVERINA
Nisainana RAFETRARIVO
Tia aho matoa mitomany Tia aho matoa miharitra Tia aho matoa eto ihany Tia aho matoa miatrika Ireny toky izay nomeko Tiko ho tanterahina aminao Ianao nefa tsy eto Ianao lasa nandao Nandao ianao nohon ny antony tsy aiko Nandao ianao,sa efa nisy vaovao Ity ratra mihatra amin ny aiko Ity foko tsy mahita afa_tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/raiko-any-andanitra
Raiko any andanitra
Nosy Malala
Raiko any andanitra, 'Zaho sy ny Raiko any andanitra, Fitiavana tena maharitra, Ambonin'izao rehetr' izao, Efa ela fa toa mbola vao. Izaho sy ny Raiko any andanitra, Fitiavana mampaniry manitra. Mifampiantso,mifampiresaka. Na faly aho na ory na reraka. Izaho sy ny Raiko any andanitra, Hiaraka mandrakizay ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferanaii/mena-masoandro
MENA MASOANDRO
TsiferanaII
Mody omby hono dia mena masoandro Famantaran’ora ho anay tantsaha Miramirana ery te hahafantatra ny nahandro Tomady vatana tsisy mampanahy Toa hita ery dada ilay mody ao antrano Miaraka amin’ny angady sy tsikitsiky mpitia Tantaraiko anao ry zandriy dia toa angano Nefa izay no efa niainanay tety Ny diavolan-mpah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-anny-tenany
HO AN'NY TENANY
Fredy Jaofera
HO AN'NY TENANY Ny tsirairay ho an'ny tenany fa ny Avo ho antsika jiaby, izay etoana no anorenany ito tany mbola be mibaby. Ny tsirairay ho an'ny tenany fa ny hafaļiana itambarana no ilay fiainana anarenany an'ireo ratsy fandaharana. Ny tsirairay ho an'ny tenany fa ny tsara iaraha-manana, isan'andro ange amb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiadiako-2
NY FIADIAKO
Fredy Jaofera
NY FIADIAKO Ny fiadiako dia finoana sy fitiavana, tsy ampiako na soloana fa goavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ry-tahotra-
Ry Tahotra ô
Nosy Malala
Ry Tahotra ô, Azafady re ry Tahotra, Tsy namana ianao androany, Izato Vava no miahotra, Fa vonona handresy hatrany. Adin-tsaina, ahiahy marobe, Nanangoly ny ao anaty, Androany no fotoana omena hoe, Ampy izay ny geja mafy. Hisalovana fahasahiana, Hisikin'hery indray mandeha Sanatria ny hiforitra hangina, Ry...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/stephan48/ianao
Ianao
stephan48
Endrika miraikitra ao am-po, Manintona ny saina Nefa mankarary an-doha Ianao ilay voalohan-tiana Nitsirian'ireo faniriana Ianao no voalohan-tsakaiza Tsy namela ahy irery, n'aiza n'aiza Tsaroako isan'andro Maraina, antoandro ary hariva Ilay teo ambodi-hazo Tsy hadinoko mandrakariva Ianao, Ilay olona nanohana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahefanny-vavaka
NY FAHEFAN'NY VAVAKA
Fredy Jaofera
NY FAHEFAN'NY VAVAKA Ny fahefan'ny vavaka dia aza hamaivanina fa fahefana miavaka rehefa mila ho fanina. Ny fahefan'ny vavaka dia mahery lalandava, tsy mba mandavaka ny helo tia mandrava. Ny fahefan'ny vavaka dia manova zavatra ka mba mandravaka rehefa fety fatratra. Ny fahefan'ny vavaka dia hazavana etoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-mampahatsiahy
AZA MAMPAHATSIAHY
Fredy Jaofera
AZA MAMPAHATSIAHY Aza mampahatsiahy 'reo oran-dranomaso fa mahory ny fanahy sy mamoha ankaso. Aza mampahatsiahy ny sedra nanahirana fa manamaloka ahy rehefa te ho mirana. Aza mampahatsiahy ny ratra tsy ninoana fa zary mampanahy vao misy haravoana. Aza mampahatsiahy ny alahelo nanadala fa mamely tsy nahy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/am-bolony
AM-BOLONY
Fredy Jaofera
AM-BOLONY Nihinana am-bolony izy iny raha sahirana, ny vinavina natolony dia aleo andosirana. Nihinana am-bolony ka very hevitra ange, tsy hainy 'reo tolony ka tapi-dalan-kaleha. Nihinana am-bolony ka dia trotraka izao, maina io ny molony fa ny soa re nandao. Nihinana am-bolony ka menatra marina, jereo m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manjary-poety
MANJARY POETY
Fredy Jaofera
MANJARY POETY Jereo vetivety na koa fantaro 'reo ainga mandia ; manjary poety ny olona maro rehefa azom-pitia.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/hitso_drano
Hitso_drano
Nisainana RAFETRARIVO
TSO_DRANO Hitso_drano anao aho malalako taloha Eny,hirary soa ihany koa Ho ambinin'ilay Tsitoha Mba tsy hisaraka intsony ianareo roa Fa ho lamban'akoho Ny fitia izay hajoro Eny tsy hisampan_droa koa Hazava tsy ho foana jiro Hisosa tsy ho fefika Fa ho tonga ampitodihana Ho fitia tsara tefy Ho fitia tsy hiton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voaheloka
VOAHELOKA
Fredy Jaofera
VOAHELOKA Rehefa mifikitra be amin'ny lasa dia voaheloka tsy hanana hoavy ny fiainana mendrika hotiavina ; ny alahelo no hipoitra sy hiasa, taona maro no eny hampanavy ka aza hadinoina sy aza lavina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/io-seza-io
Io seza io,
Nosy Malala
Misahotakotaka ry zareo izany, Seza no iadivana, ren'ny vazantany . Olo-be miady seza, no indro mihariary, Ny vahoaka amin'io, zara mahavidy vary ! Io seza io anie ka tena mampahantra, Te hanankarena dia ny taranaka no tratra, Fitiavan-tseza natakalo, banjin'ny ho avy. Very teo ny saina, ny vola anie fitady. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/indrisy
INDRISY
AZRAEL
Asakasakao ry tiana Raha vitanao ny hiraikiraiky Hanitsakitsaka ireo dina S'izay niarahana nanaiky Fa moa mba nosaininao Ity masoko manganohano, Noho ny antambo vitanao Sahy nivadi-belirano? ireo lasantsika rehetra indrisy Toa nofy fa tsy tena nisy, Akory atao f'izay no anjara Ka nivalona ho tantara Ny mits...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ravao
RAVAO
Fredy Jaofera
RAVAO Aza avela ny ratsy hanimba ny tsara ao aminao raha mitady vatsy hahasoa ny anjara ka ravao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manangana
MANANGANA
Fredy Jaofera
MANANGANA Ny olona ory ny lasa no tena manangana ny hoavy mamiratra, manao azy ho lahasa, na dia efa mangana ho andro mihiratra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/aokizay
Aok'izay.
Ilay FANAMBY
Aok'izay ry foko Ny fitiavana tsy ho anjara Eny,aok'izay fa.. zay nirinao de toa tantara Aok'zay,tena aoka Aza maniry itsony Fa ny ahy ty, tsy hitony tsy akory (Ny FANAMBY Nomenjanahary,aok'izay(fitia tsy tanteraka),26/02/23)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/saint-valentin-ito-zavat
SAINT VALENTIN Ito zavat
RASOA
SAINT VALENTIN Ito zavatra nitsiry Sy nitsimoka ka mamy Tsy finiavana hikiry Fa fitiavako izany Na ny teny maro tsy voahevitra Niaro tambitamby tsy nety lany Tsy maintsy koa nifandefitra Dia fitiavana izany Ka ireo olona nandratra Tsy norahirahina tany ho any Aleo ny helony ho voafafa Fitiavana koa izany I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-olombelona-ihany
NY OLOMBELONA IHANY
Fredy Jaofera
NY OLOMBELONA IHANY Ny olombelona ihany no manimba ny tany, mandrava ny misy ho foana, indrisy ! Ny olombelona ihany no mitondra tomany, mahabe fahoriana sy ireo hakiviana. Ny olombelona ihany no fahavalo hatrany, mamorona ny ady tsy hahatomady. Ny olombelona ihany no poizina aok'izany mamono ny halany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/inty-ny-foko-tompo-torot
Tonom-bavaka
Ny Radontsoa Mamiratra
Inty ny foko Tompo, torotoro foana vao entiko Aminao Fa raha sitrakao, mbola sitrano indray Dia aza manafay na aza aho maditra… Fa mamelà ny otako Dia aza mbola asaina mamerina ny trosako aho Fa na ny aiko aza tsy haha-efa izany … F’Ianao mpamindra fo, esory ao avokoa ny ratsy rehetra rehetra Ireo eritreritra ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tsapako
TSY TSAPA
Fredy Jaofera
TSY TSAPA Tsy tsapa mafy ny fitiavako raha tsy taminao ka aza mihafihafy, rahavako, fa avia anjakao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahagagana
FAHAGAGANA
Fredy Jaofera
FAHAGAGANA Tonga endri-piainanao ny fahagagana rehefa zatra mivavaka ; ny tontolo dia mihavao feno hatsarana sy mbola mandravaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hitako
TSY HITAKO
Fredy Jaofera
TSY HITAKO Tsy hitako izy ho reny tamin'ny zavatra rehetra dia indro ve izy hiteny fa nitia tsy misy fetra ? Tsy hitako izy ho reny tamin'ny sedra niainana dia dedaka ombieny fa ilay azo nitarainana. Tsy hitako izy ho reny tamin'ny jaly nanahirana dia nihambo lavareny fa ilay azo namikirana. Tsy hitako izy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-lasa-ny-fitiavana
REHEFA LASA NY FITIAVANA
Fredy Jaofera
REHEFA LASA NY FITIAVANA Rehefa lasa ny fitiavana dia lasa ny fanantenana ka mitiava fa ilay avana, tsy mitady fankahalana. Rehefa lasa ny fitiavana dia lasa ny fanambinana, alahelo no hihagoavana sy tsy hivoy filaminana. Rehefa lasa ny fitiavana dia lasa ny fananganana, na misy aza ny finiavana, ny tena ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aleoko-mangina
ALEOKO MANGINA
Fredy Jaofera
ALEOKO MANGINA Na bobaka aza no azo ambara, aleoko mangina, izay no sahaza hatrany am-para tsy hitomaniana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eloko
ELOKO
Fredy Jaofera
ELOKO Rehefa mirotsaka toy ny orana ny manahirana rehetra dia Andriamanitra no eloko ; Izy ihany no azoko anolorana an'ilay toky tsy voafetra ahitana ny tsiambarateloko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mialona
MIALONA
Fredy Jaofera
MIALONA Ny olona mialona dia ireo tsy manaiky ny fiadanan'ny hafa ka atopan'ny alona tsy mba hanakaiky azy ireny mitafa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/tso-drano
Tso-drano
Nisainana RAFETRARIVO
TSO_DRANO Hitso_drano anao aho malalako taloha Eny,hirary soa ihany koa Ho ambinin'ilay Tsitoha Mba tsy hisaraka intsony ianareo roa Fa ho lamban'akoho Ny fitia izay hajoro Eny tsy hisampan_droa koa Hazava tsy ho foana jiro Hisosa tsy ho fefika Fa ho tonga ampitodihana Ho fitia tsara tefy Ho fitia tsy hiton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fototra
FOTOTRA
Fredy Jaofera
FOTOTRA Fototry ny lalam-pahasoavana mitombina foana sy ombana hisintahan'ireo raorao : rehefa mihalehibe ny fitiavana dia toy izany koa ny hatsarana izay monina ao aminao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-teny-ve-
NY TENY VE ?
Fredy Jaofera
NY TENY VE ? Ny teny dia eritreritra ivelany mankeny, misy hevitra avelany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nandalo-ny-fitiavako
NANDALO NY FITIAVAKO
Fredy Jaofera
NANDALO NY FITIAVAKO Nandalo ny fitiavako, tsy hita ianao nandray, na teo aza ny vavako nanandratra azy izay. Nandalo ny fitiavako, tsy hita ianao nitana ka maty ny finiavako vao nikaro-panovana. Nandalo ny fitiavako, tsy hita ianao nitady hampifaly ito tavako ka ekeo ity mianjady. .Nandalo ny fitiavako t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fihetseham-po
FIHETSEHAM-PO
Fredy Jaofera
FIHETSEHAM-PO Fihetseham-po tsara indrindra itony fitiavana raha mifamaly ; izay no tena to tsy azo afindra, sady goavana no mampifaly.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/avy-aminny-fanaintainana
AVY AMIN'NY FANAINTAINANA
Fredy Jaofera
AVY AMIN'NY FANAINTAINANA Avy amin'ny fanaintainana no lesona ben'ny fiainana hahalalam-pahombiazana hampijoro ery ho mazana. Avy amin'ny fanaintainana no tsy ahitam-pahalainana fa ho kiry ny hiotra hatrany ho soa ny fiainana an-tany. Avy amin'ny fanaintainana no hisinda ireo fitarainana fa ny ezaka no hisas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vintana
VINTANA
Fredy Jaofera
VINTANA Masoandro na kintana dia avo isainana ; isan'andro dia vintana hanovana fiainana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maro-ny-ratra
MARO NY RATRA
Fredy Jaofera
MARO NY RATRA Maro ny ratra tsy haiko soratana . fa ao am-po, mahory fatratra. rehefa mivantana toy ny taloha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-mitsahatra
AZA MITSAHATRA
Fredy Jaofera
AZA MITSAHATRA Aza mitsahatra ny ho olona tsara, na rahoviana ?... Dia hamahatra ho soa izay anjara sy faniriana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/vavako-ho-anao
Vavako ho anao
Vetso mena
Mba te hilaza fohifohy aho, hangataka aminao. Hiventso ny ato am-poko, hilaza ny efa fantatrao. Ray ô, inty vavaka inty, atolotro am-pitiavana. Fa faniriako hatry ny ela, noho isika efa mpihavana. Atomboko amin'ireo tsy manana, na dia toeran-kialofana. Mba omeo hery izy ireo, mba tsy ho mora torovana. Fa maro ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vato-fotsiny
VATO FOTSINY
Fredy Jaofera
VATO FOTSINY Vato fotsiny ihany ity diamondra ity eo akaikinao ; tsy mahasolo izany an'ilay mba fitia ka ampitao !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahita-fomba-2
MAHITA FOMBA
Fredy Jaofera
MAHITA FOMBA Rehefa momba ny fitiavana ny anton-dia, mahita fomba hahatongavana ka matokia !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/fitia-fitia-mifamarafar
Fitia,
Ilay FANAMBY
Fitia, Fitia mifamarafara Lavitry ny hoe "tsy anjara" Fitiavana safononoka Ao am-po fa tsy eo am'molotra Fitia tsy mba hanam-petra Ezahina mba ho tarigetra Fitiavana asesiheny Entina ombieny ombieny Fitia mitafotafo Mamy ery isan'andro Eny,fitiavana milomano Eny an-dalana ka hatrany an-trano Izany no atao h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-nanimba
IZAY NANIMBA
Fredy Jaofera
IZAY NANIMBA Na inona no ezaka sy tolona hahombiazantsika miaraka sy hahazoana fanambinana, izay nanimba fiainan'olona tamin'ny lainga vary raraka, hopotehin'ny fahamarinana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miara-miasa
MIARA-MIASA
Fredy Jaofera
MIARA-MIASA Any ny lasa, aoka ho tantara fa ory ny endrika ; miara-miasa ny soa sy ny tsara rehefa mendrika.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ho-very
TSY HO VERY
Fredy Jaofera
TSY HO VERY Ny fotoana lany tamin'ny fitiavana, tsy ho very mihitsy, hamiratra hatrany, sady hampitavana amin'ny sento vitsy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-maharita
TSY MISY MAHARITA
Fredy Jaofera
TSY MISY MAHARITRA Amin'ny fo finaritra lavitry ny tsetra no mba milaza : tsy misy maharitra ny zava-drehetra, na ny olana aza.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-penomanana-reiv_fenomanana/ny-fiainako-mahantra
Ny Fiainako mahantra
Vetso-penomanana (Reiv_Fenomanana)
NY FIAINAKO MAHATRA Fa efa voaozona ve ny fiainako eto an-tany? Voasoratra hijaly, sy nateraka hitomany? Tsy mba misy fifaliana fa toa ranomaso lava! Halahelo, hakiviana, no manoritra ny tava! Aiz i‘lay maraina no tsy mba hita hantenaina? Sa, ve, ka nandao e? nahafoy ahy tsotr’izao? Inay anie aho mba tsy hary, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-be
NA BE...
Fredy Jaofera
NA BE... Na be ny voninkazo koloina, ny zavatra tsy azo no esoina, Na be ny voankazo mamoa, ny mitranga, topazo fa aloa. Na be ny efa vazo lalaina, misy ihany ny tazo zakaina. Na be mangahazo maniry, iny vavany, tatazo fa hikiry.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitia-foza-kely
FITIA FOZA KELY
Fredy Jaofera
FITIA FOZA KELY Fitia foza kely ny fitiavako anao ka aza hadinoina ; tsy very velively fa mamiratra vao mba kalokaloina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahefam-pitiavana
FAHEFAM-PITIAVANA
Fredy Jaofera
FAHEFAM-PITIAVANA Rehefa ny fahefam-pitiavana no handresy ny fitiavam-pahefana dia hitanjozotra ny, hoe, fiadanana ; isika rehetra, hahay hihavana, ny rindra ho avy, mbola higagana, fitahiana koa no hiaraha-manana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hahita
TSY HAHITA
Fredy Jaofera
TSY HAHITA Ireo izay tsy tonga saina fa mandeha amin'ny maizina dia tsy hahita ny Mazava fa mbola eny hiferinaina, ho resy toy ny olona faizina amin'ny atao lalandava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-manary-toky
AZA MANARY TOKY
NY HERIMAR
AZA MANARY TOKY Aza manary toky fa mbola misy any, Fararanon-kafaliana hanafaka tomany; Aza manary toky, ianao mahereza Fa hanafatra aho fo mafy sy mateza Ekeko fa mafy ny miseho anio izao, Tsy misy amin'ny laoniny koa 'zay atao; Saingy ry sakaiza, aza manary toky Raha androany manta vary, rapitso mbola hioty. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iny-dadako-iny
INY DADAKO INY
Fredy Jaofera
INY DADAKO INY Iny dadako iny no hery ato anaty manilo ny fahiny hipody ka soraty. Iny dadako iny no toky ombieny, maha mpivahiny rehefa reraka eny. Iny dadako iny no tsiky fahazaza mbola ankehitriny tsy foy sy sahaza. Iny dadako iny no andry teo irery, nanoro tsisy tsiny, tsy nahay namery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/raha-mbola-hiova-ianao
RAHA MBOLA HIOVA IANAO
NY HERIMAR
RAHA MBOLA HIOVA IANAO Efa nomaniko ela loatra mantsy Ny efitrano diamondra natokako anao Tsy ho harafesi-mihitsy mandramaty Na ho morana isan'andro, fa tsara kalitao. Mety tsy nandrasanao ny zavatra nataoko Ifonako re ry tiako fa 'Zaho tsy ninia Ny afo sy ny vy ange tsy dia filalaoko Fa manery ahy ny ato an-tr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/ry-foko-mahantra
RY FOKO MAHANTRA
Dogme Razafy
Ry foko mahantra Mangina ry foko mahantra, mangina! Raha toa malomaloka izany andro Mahaiza mipetraka rehefa tsy tiana Fa ny andro alina tsy misy atoandro. Miononà ry foko mahantra, miononà! Raha sendra voaratran'ny tsilon'ny raozy Sy fanin'ny ngidin'ilay nosotroina Nanala hetaheta kinanjo dia daozy! Indrisy r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/ry-volana-kosa
RY VOLANA KOSA
Dogme Razafy
Nanafatra ahy mafy iry volana iry, Hafatra mila tsy ho zakan'ny saiko Mila tsy ho zakan'ny saiko satria Hafatra momba anao iny ry aiko! Rahefa mahery ny taratro hoy izy Ka tsinjonao ny alok'iry voninkazo Dia izao no tsarovy hoe nanova fitia Ka aloka izy iny fa tsisy hoe nalazo! Fanilo aho hoy izy ary tena hazav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riva-ando-andriamalala-1/aleo-matory
Aleo matory
Riva Ando Andriamalala
Tsotsotra teny ianao fa mafimafy fo tsy tia nasentosenton'ny resaka fitiavana mora taminao ny nihira ny fandavana, raha sendra olon-tiana nianatra namolaka tinapakao ny tady sady hoy ianao homehy : Isika olona afaka ka aoka tsy hifamehy ! Dia niaina teny ianao nilamindamin-tsaina nitia an-kalalahana, kanjo ind...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/sarangotra
***SARANGOTRA***
MAZ RAMANA
*************SARANGOTRA************ Tsongoy mafy hivoa-drà, ...ny fo raha saika hiantsampy, Kitaho ny hetsiny, bedeso! Fa iny olona iny, fantatrao efa hatry ny ela, Fa mpandalo, tsy hitoetra! Raha saika hanantena, ...dia anio, mamoiza foana, Fa tsy ho vitanao mora, ...ny maningotra amin'iny : ny fatoran-tenana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mampivoatra
TSY MAMPIVOATRA
Fredy Jaofera
TSY MAMPIVOATRA Tsy mampivoatra ny zavatra mora : tsy manamboatra anao ho fatsora. Tsy mampivoatra ny miandry ĺava fa tsy mandoatra ny asa mazava. Tsy mampivoatra ny mihenahena ka raha tafahoatra, mety ho sorena. Tsy mampivoatra ny fahakiviana fa mamely loatra rehefa iniana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tokana-ianao
TOKANA IANAO
NY HERIMAR
TOKANA HAY IANAO Moa ve aho nisy afaka nitsetra Rehefa aho latsaka ao anaty ady Fitiavana mahery, tsy manam-petra Efa ela naniry fa sasatra aho nitady Teo ireo hadalako, fo mangatsiaka Ianao tsy mba niala, nanantena foana Fa ny fakampitiavanao tsy mora enti-driaka Teo foana ianao, na voky aho na noana. Ka tsap...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/ny-korisam_peniko
Ny korisam_peniko
lain's rakoto
Ny korisam_peniko Mikorisa ao anatiko ao Mikorisa tsy ankijanona Tsy mba maha fanina Toa mikorisa moramora Misosa malefaka manafosafo Ny aty fanahy Tao tsy tanako intsony izy ity ry zalahy Malefaka loatra sy mandrotsirotsy Adino daholy ny kaikitry ny haofotsy Toa lafatra loatra noho ilay ao anaty bodofotsy T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mafy-torimaso
MAFY TORIMASO
Fredy Jaofera
MAFY TORIMASO Mafy torimaso rehefa ory ny foko eto am-pandriana ka ny ranomaso no tonga misoko ary dia mikoriana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mianara
MIANARA
Fredy Jaofera
MIANARA Mianara dia hahay, tsy lainga akory izay fa miantoka ho doria ny hoavy tsy hikodia. Mianara dia hivoatra, na tsy afa-manoatra sao hanenina tokoa ka hivadika ati-doha. Mianara dia hitombo, na ilay saina dombo ka hahavita zavatra saika ho tsy takatra. Mianara dia hiranga eto fa tsy ho banga ny soa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/midoboka-ny-fo
Midoboka ny fo
havotraniaina
Midoboka ny fo Ny fidoboky ny fo izay mitempo, ...ao ny tsirim-pitiavana no misento. Manainga ny hafanana avy ao anaty. Ny afom-pitia tsy ho faty. ....manimanina irery ; Varimbariana lasa saina ombieny. Eny! miova na ny saina na ny fo ; Satria, miaina toin'ny olon-droa. Koa, ho anao zanako indrindra no hikalok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/am-pitiavana
AM-PITIAVANA
Fredy Jaofera
AM-PITIAVANA Indro kely ny hafatra tsy mitomandavana fa marina tanteraka ; rehefa hanao zavatra, ataovy am-pitiavana dia tsy handreraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tontolo-tsisy-boky
TONTOLO TSISY BOKY
Fredy Jaofera
TONTOLO TSISY BOKY Tontolo tsisy boky, lavi-pampianarana ; tontolo tsisy toky milaza fivoarana. Tontolo tsisy boky, banga fandalinana ; tontolo tsisy roky azonao iankinana. Tontolo tsisy boky, manimba ny hoavy ; tontolo tena goky tsy hamiratra avy. Tontolo tsisy boky, tsy manoka-tsaina ; tontolo ka aza l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-diso-sy-marina
NY DISO SY MARINA
Fredy Jaofera
NY DISO SY MARINA Ny diso dia diso, na dia be mpanao ; ny taona hasiso no akony ao ho ao. Ny Marina dia marina, na tsisy mpanao ; tsy resaka amboarina na zava-baovao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/omeo
OMEO
Fredy Jaofera
OMEO Omeo isan'andro ny tsara indrindra amin'ny fiainanao dia indro hitandro tontolo mirindra mahay manavao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/ry-mpamono-teny-gasy
Ry mpamono teny gasy!
heritreritro
Nahoana ianao no faly Manoratsora-poana Ny teny malagasy? Tsy mahatsiaro jaly Tsy vonona hisaona Na hoe hangasiasy! Nefa lasan'ny omaly Nalevon'ny fotoana Ny hasin-teny malagasy! Maika ianao hanoratra Tsy miraharaha tsipelina "Mety foana io" hoy ianao Anefa ianao dia ohatra Efa maro mpankatelina Amin'izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/zioga
ZIOGA
MAZ RAMANA
Raha ao anaty haizina, Hiafina masoandro, izay no fiononanao? Ny fotaky ny helok'izao tontolo izao, Hitambesatra aminao! Izay no antenao! Raha handositra ny eto, Hitady akany vaovao, izay no sitraky ny fo? Fitebitebena sy ny eson-tompon-tany, Vela-padrika avokoa, Izay no fitsarana any! Raha hanarona alahelo, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsara-ianao
REHEFA TSARA IANAO
Fredy Jaofera
REHEFA TSARA IANAO Rehefa tsara ianao, misy foana mankahala mitady lava raorao tsy mitsaha-manadala. Rehefa tsara ianao, misy foana manaratsy, mamely tsotra izao fa olon-tsy ampy vatsy. Rehefa tsara ianao, misy foana manakora, ny saina, hatanjaho fa mila rindra isan'ora. Rehefa tsara ianao, misy foana man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vola-ny-fotoana
VOLA NY FOTOANA
Fredy Jaofera
VOLA NY FOTOANA Vola ny fotoana ka tsinjovy fa marina foana ka tsarovy. Vola ny fotoana ka ampiasao ho babangoana ny tsisy atao. Vola ny fotoana ka mikiriza vao manoloana, ry olon'iza ! Vola ny fotoana ka mazotoa tsy hampivoana an'izay tokoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/lovao-ny-fito-amby-efa-polo-1947
Lovao ny fito amby efa-polo
heritreritro
Inona sisa no lova tavela Niharetan'ny ray aman-dreny tafondro Ka tsy rimbon'ny vola sy fitiavan-tena Efa abaribarin'ireto mpitondra? Moa mba voahaja ny zonao hiteny Hitraotra fa mafy ny adim-piainana? Sa nofy ratsy ihany fotsiny ireny Fa manga ny lanitra, tsisy hitarainana? Moa tena miasa avokoa ny tanora Ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/indray-lohataona
INDRAY LOHATAONA
Fredy Jaofera
INDRAY LOHATAONA Indray lohataona ny fitiavako anao ; aoka tsy hihaona ka ny lasa, fafao ! Indray lohataona no efa niarahana, anio zary moana tsy nivavahana. Indray lohataona ny fiadanantsika ka any iny taona nitsirian'ny pika. Indray lohataona ilay nandihizana ; tsy manoloana ka tsy tohizana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-miaraka-aminny-adala
AZA MIARAKA AMIN'NY ADALA
Fredy Jaofera
AZA MIARAKA AMIN'NY ADALA Aza miaraka amin'ny adala dia hahita fahasambarana, hipoiran-tsoa mijoalajoaĺa tsy manary raha ianarana. Aza miaraka amin'ny adala dia hisosa ho azy ny tsara, hoy aho eto, tsy misalasala to foana hatrany am-para. Aza miaraka amin'ny adala dia mora handray fitoniana hitoetra etoana f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miremby
MIREMBY
Fredy Jaofera
MIREMBY Miremby lamin-tsaina dia zava-manahirana sarotra andrandraina rehefa be fifandirana. Miremby fihavanana dia fiainan-tsarobidy raha iaraha-manana, na amin'ora mangidy. Miremby fialamboly dia fotoana fatratra tsy mba mahangoly, na dia mahasasatra. Miremby fifaliana dia antoka ho anao fa dia hisy fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/very-fo
Very Fo
Dogme Razafy
Very aina, very saina izato lanitra izato Indro haolo sy mangina, osaosa tononkira Tonom-bavaka no sisa, tonom-bavaka tsy miato Aiza irony paradisa, nahoana no mamiravira? Tsy rahona eo, tsy lohataona... fa tsy misy Tsy haizina eo, tsy posak'andro... fa indrisy Lanitr'osa, tsisy intsony, tsisy intsony, tsy mitsik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/manjeky
Manjeky
Ny Ela Nihetezana
Naranga gny soloho, nikeha an-Janahary, Vasa maro loatsy, gny sazin'ity tany! Fa nagnotohoto gny tsioky, nagnadary, Asa raha neloky, Ndremagnitry agnabo agny! ia ro ho tamagny tsy misy gn'atokisa Fa dobo tany toy... olo fa mahia ! Zaza tongan-driaky, kanefa nandeha niisa, Feregnezo Tompoko zahay Marobasia! Olo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/mba-raiso-re-ny-tanako
Ray Mpamindra fo
lain's rakoto
Mba raiso re ny tanako Raiso fa aza avela Ity aho mitalaho Raiso re ry Ray Raiso ho zanakao Raiso re ry tompo Mifona mitalaho ity zanakao Raiso aho ry tompo ô Raiso fa tsy mendrika Aza avela ho rendrika Mba raiso ny fifonako Raiso re ry tompo Hiezaka aho hanompo Hanompo anao tokoa Tsy hanao kitoatoa F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/habobo
HABOBO
Fredy Jaofera
HABOBO Habobo no fahanana eto an-tanindrazana ka lasa ny fiadanana, izao no fahavoazana. Habobo no manjaka tsy misy fitsaharana ka dia mahazo laka ny an-kasomparana. Habobo no mandoto ny fiainam-pirenena ka dia misafotofoto 'zao ratsy novolena. Habobo no mandavo eny foana moramora, na mahery sy miravo, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/raozy
Raozy
Dogme Razafy
Mizongozongoa izany foko adala Ka aza mifidy na raozy ankiray Mizora mizora fa ianao mahalala Ity zaridaina tsy edena hatrizay. Andrao saroroin'ny endrika ivelany Na ny fofony manitra manentoento Ka haratran'ny tsilo rakofan'ny felany, Haingin'ny nenina hidinitra sento. Ka aza mikasa ny hanao amim-bazy Fa ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tbi/tsia
TSIA.....
TöBi
#TSIA.......# NY FOKO ve no adala? Minia tsy mahalala ny ngidin'ny Fitia NyY FOKO ve no pahina? Minia manapi-maso Ny fitiavana matsatso TSIA! Tsy pahina ny saiko Ny foko tsy adala fa singotry ny aiko ny fitiavana raha miala #Tobi
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/fiainana
FiainanaI-2
Ilay FANAMBY
Tao atrano: -tonga izy roa , Nanohy ty korana,teny am-parafara Toa tsy henony akory lay hanoanana -kalo a,,ndao ho andakojia Sa hanao karajia Ndri anga tsy mba noana Sa ranom-boakazo Hosotroana -AAAA! Hoy kalo taitra tampoka Sady nanala ty satroka Nampetrany sotrizao Teo ambony saribao -Oadray! Hoy meva, N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/raha-sendra-ka...-ny-barea
RAHA SENDRA KA...!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
RAHA SENDRA KA...! (ilay Barea) raha sendra maharesy ny ekipantsika horakoraka ny atsy, tabataba ny eroa dia miara-mifaly satria hoe tafita miara-mirona maneho ny ambom-po aorian'ny lalao sy tontolon'ny alina tsy misy hatoriana ny sarom-bilany ny horakoraky ny olona, tabataba sy "bal" mainka maredona sy mafy ao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tbi/tena-tia
TENA TIA..
TöBi
#TENA TIA..# Hadisoako ve ry Dada? Ny hitia an'i Malala Mba anafana ity foko izay vonton'ny oram-panala Hadisoaka ve ry Neny? Raha hanambara sy hiteny sy nanavaozako ilay Eny sy antom-pifaliako Fahotako ve ry Zoky? Raha toa hiantehatra haka toky Amin'ilay olon-tiako isan-kalina azo nofy Meloka aho ve ry z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/saina-ambany
SAINA AMBANY
Fredy Jaofera
SAINA AMBANY Saina ambany ny fandoroany, tsy hay ialany fa haravoany. Saina ambany ny fanimbana, tsy hanihany fa hadalana. Saina ambany ny famitahana, loza hatrany tsy iarahana. Saina ambany ny fihemorana, mijaly ny tany raha ifotorana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tbi/rehefa-hatory-lavareny
REHEFA HATORY LAVARENY
TöBi
Hihintsana ho lo 'ty endrikao madera Aorian'andro maro hialanao ety ka hanjary hody vovoka sy hiraraka tsy miera ity vatanao malia, izay mahafatifaty erY Ka indro ary ny safidy : mamy sa mangidy? No hasetrinao ety, dien'ny mbola eto an-tany hamela tsitra sa tsiaro makadiry? ho an'ny hafa ianao ? safidinao izany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tbi/impiry
IMPIRY
TöBi
Impiry nisy nikendry sy hany nandrebireby Tanaty nofinofiko ary firy no natosiko? Tsy ho tojo anao! impiry aho no niaro tamin'ireo mpandalo izay nikasa ny anao ratsy sy amela karazan-tasy Tsy navelako anefa izany! Impiry aho no nibaby nibaby zioga tsy fisangy ho anao tanaty nofiko ho anao ilay anomezako n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hipoitra-ny-kintana
HIPOITRA NY KINTANA
Fredy Jaofera
HIPOITRA NY KINTANA Etsy mipetraka fa efa drodroky ny andro ka avelao ny fintana dia aza ketraka fa efa mody masoandro ka hipoitra ny kintana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tbi/mamy
MAMY!!
TöBi
#Hamy# Hafaliana hoe " no taratry ny feno", sy ny fiposaky ny ampy na anaty segondra vitsy na koa minitra maro no anehoana hoe "mamy" hamy!! Tsiro tsy roa aman-tany, ary hafa mintsy ny akony Tsy misy tahaka izany satria tena hoe " fara-tampony" Izato fitiavako anao fatratra izany fitiavako anao lafatra! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sarotra-ny-mieritreritra
SAROTRA NY MIERITRERITRA
Fredy Jaofera
SAROTRA NY MIERITRERITRA Sarotra ny mieritreritra matoa ny olona mitsara tsy mba manan-kevitra ka dia izao no miafara. Sarotra ny mieritreritra matoa ny olona mamely, tsy azony ka dia tezitra ireo nofinofy tiany hiely. Sarotra ny mieritreritra matoa ny olona mifosa ; tsy hainy ny mandefitra rehefa ratsy no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-hadinoina
AZA HADINOINA
Fredy Jaofera
AZA HADINOINA Aza hadinoina ny olona tia fa haren-tsarobidy, tsy mety lotoina rehefa tabiha ka ataovy tadidy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/anjely
Anjely
Dogme Razafy
Mafikely ny orokao; Doladola, topi-maso Anjely kely milalao Tiako kely k’alefaso! Mamikely ka tohofy, Sentosento paradisa Bitsibitsika mandrotsy Bitabitaka, alin-kisa! Nofy kely, nofy izao Ampiko kely fa andraso; Akipio ny masonao! Anjelikely milalao Tiako kely k’alefaso Mafikely ny orokao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ratsy-2
NY RATSY
Fredy Jaofera
NY RATSY Ny ratsy dia miverina amin'izay nandefa azy rehefa injao heverina ka mainka manasazy. Ny ratsy dia miaraka amin'ny lainga foana tsy mba mandraraka ny mety, na ahoana ? Ny ratsy dia mihosina amin'ny fitaka marina ka raha vao mitrosina dia jereo fa mivarina ! Ny ratsy dia mikasika an'ireo itoeran-d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tokony
TOKONY
Fredy Jaofera
TOKONY Ny olona hendry, mameno ny loha vao mamoaka teny fa tsy voatendry hananatra aloha vao misaina ombieny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirintsoa/hanoratra-aho-ho-teny-ha
Hanoratra aho ho teny Ha
Nirintsoa
Hanoratra aho ho teny Hanoratra aho ho kanto Hataoko teny feno kanto Hanamora ny afatra ho entin'izy ireny Hasiko marim-piatona Mba ho kanto ho mora ho henohina Ho ataoko teny maromaro Ho zary lasa tononkalo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-vitanny-vava-2
TSY VITAN'NY VAVA
Fredy Jaofera
TSY VITAN'NY VAVA Tsy vitan'ny vava ny asa tsy tratra ka dia mandrava f'efa mahazatra. Tsy vitan'ny vava ny adidy mitranga ka dia manazava tsy ho be kinanga. Tsy vitan'ny vava ny andraikitra eto ka toa manalava ny ahiahy, raketo. Tsy vitan'ny vava 'reo zava-mazana ka izay lalandava, lasa fahavoazana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-politikanny-trosa
NY POLITIKAN'NY TROSA
Fredy Jaofera
NY POLITIKAN'NY TROSA Ny politikan'ny trosa, tsy hevi-pandaharana raha tiana ho tontosa ny hahalala fivoarana. Ny politikan'ny trosa dia lalam-pamonoana ny firenena tsy hisosa ho lavi-pandrosoana. Ny politikan'ny trosa dia safidim-panjakana, n'inona n'inona ny fosa : tsy hanala fahantrana. Ny politikan'ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy
REHEFA TSY...
Fredy Jaofera
REHEFA TSY... Rehefa tsy manaiky ny fo sy ny saina dia tonga hanakaiky ny jaly hozakaina. Rehefa tsy mipoitra ny rindra nirina dia tia mipololotra ny fahakiviana. Rehefa tsy miroso ny lamina tsara dia avy hisosososo ny eso ao afara. Rehefa tsy mijoro ny vina rehetra dia ho hita hikoro, na ny tarigetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/tovovavy-malagasy
Tovovavy Malagasy
Dogme Razafy
Pendo kely, mangamanga Lava volo, olioly Maontimaontin-tafin-damba Saritsarina bakoly. Maso ngara, baribaribary Molo-kely, tsiky mamy Menamenatra, mifaly Manjamanja raha mitany. Bakobako virjiny Hakantoana hoentim-batsy Anjona fanahy hiniany. Nosikely milalao… Nofikeliko izao… Tovovavy Malagasy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/resaka-politika
Resaka politika
Nosy Malala
Resaka politika, Mbola tsy manomboka ny propagandy, Indreo izy dahy miady hevitra sahady. Hadinon'izy ireo, ny nifandray tanana, Alohan'ny lalao na savasava lalana. Lehilahy : Ianao ranabavy tsy tía fitondrana, Ahenao kely ange, izato fankahalana, Tsy misy mpitondra, tena mendrika izany, Izay ny zava misy, tar...