url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/manako
Manako
Dogme Razafy
Manako manako tsy tanan-doria Ny fanahy avelon’itsy olon-drery Toa feno mitobaka anefa tsy very Misangy misangy amin’ny torom-baliha ! Zovy ary zovy no tsy hahare izany Na ny any an-driaka sy izay lavi-tiana Tsy maintsy voadona misento mangina Fa avelo no teraka, embona ihany… ! Toa dasidasy, milanto milanto K...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/nofiso
Nofiso...
Dogme Razafy
Nofiso ange! Topimaso adala, maherihery sangy Te hitantara teny, miantsy milalao An'hovitro ny fo, bita-tsy tafandry Nofiso ange ! Nofiso hoe tiako ianao ! Nofiso ange! Elakelan-trano hifampitaovan-tsika Oroka sy sangy feno homehinao An'eritreritra hoe: ny mitia tsy ditra Nofiso ange! Nofiso hoe tiako ianao! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamy
MAMY
Fredy Jaofera
MAMY Indraindray ny voankazo voarara, mamy, zareo, ka tsy hay, na inona no ambara ny tsy haka eo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ninona-ninona
N'INONA N'INONA
Fredy Jaofera
N'INONA N'INONA N'inona n'inona ratra namely ahy mangina, inoako fa hitsahatra sy hanjary fitahiana. N'inona n'inona voina namotika iny tsarako, hira foana no kaloina sy ataon'ity fararako. N'inona n'inona banty nandentehana tokoa, mbola eto mahatanty sy midera ihany koa. N'inona n'inona fanitso tsy nanaf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-toriteny
NY TORITENY
Fredy Jaofera
Ny toriteny, fahazavana ho an'izao tontolo izao mbola hampahalalana fahendrena ka araho ! Ny toriteny, famohazana ny hafatr'Andriamanitra hahitana fahombiazana vao lasa any an-danitra. Ny toriteny, fanambinana mahay milaza fiadanana efa tonga fahamarinana rehefa nisy fananganana. Ny toriteny, fampielezana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ota
NY OTA
Fredy Jaofera
NY OTA Ny ota no ampiasainy fa tsy betsaka ny soa no azony andrandrainy hahombiazana tokoa. Ny ota no isondrotany fa tsy misy re ny tsara mba azo isarangotany hahamiratra ny anjara. Ny ota no andrehetany ny nofinofy tsy tontosa vao indro hafinaretany no mipoitra sy misosa. Ny ota no anankinany ny vesatry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andosiro
ANDOSIRO
Fredy Jaofera
ANDOSIRO Andosiro ireo nandratra rehefa hikatsa-piadanana dia indro hiasa sy hihatra ny tigetra eo an-tanana. Andosiro ireo nandoza rehefa hila hasambarana dia tsy hampivozavoza ny efa kiry nisasarana. Andosiro ireo nandrava rehefa hitsinjo fitoniana dia tonga eto hanazava iny jiro kely nitokiana. Andosiro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-teny-misy-fanahy
NY TENY MISY FANAHY
Fredy Jaofera
NY TENY MISY FANAHY Ny teny misy fanahy, itoeram-pahendrena, manampy sy miahy ra' tojo faharesena. Ny teny misy fanahy, feno fampianarana tsy mitandro ahiahy fa mainka fivoarana. Ny teny misy fanahy, manaja tsisy farany, henoy fa mahasahy mitady izay anarany. Ny teny misy fanahy, tsy misy haratsiana fa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dogme-razafy/fahavaratra
Fahavaratra
Dogme Razafy
Hamon-danitra malo-pitranga Alokaloka sary vinany Rahondrahona iretsy angamba No hahatera-tomany Dikitra angaha ny ao ambony ? Osaosa ka be sotasota ? Kotrokotroka izao no laroiny Tselatselatra tselatra ota. Haingihangy fanahy ny hariva Tondratondraka sento mangina Jonijonitra iva dia iva Eritreritra hakambo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/dera-bika-tabarrouj
DERA BIKA
AbouNusrayni
DERA BIKA (tabarrouj) 1.Tsy oviana mba hitovy - amin’ny vavy raha ny lahy. Ny an’ny vavy natioraly - ny hamanjany sariaka. K’inona ihany ary, - ity ataonao mampanahy. Hilana toky aman’olona, - hampirantiana izato bika. 2.Mety misy latsadatsaka - raha jerena ny tarehy. Mety misy tsy dia afaka - raha tombanana ny v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tsy-mandahatra
TSY MANDAHATRA
RASOA
Tsy hilaozan - tsafon- drano Ny fiainantsika etÿ Toa mahery loatra izato onna Hampianjera hikodia Na mahay rano aza Mety hilentika sy safotra Ny fahaiza-manao Tsy voatery hoe hanavotra Indrisy fa migaingaina mafy Ny famakiana izato efitra Vao taona vitsy izay Ny voary tsy milefitra Nanantena aho ny hiara-di...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/handao-hiombona
HANDAO HIOMBONA
RASOA
Ny herisetra tsy tana T@ androm-pahazazana Nahatonga anao hitroatra Hifonako fa tafahoatra Indrisy ny fandaozako mazana T@ androm-pahatanorana Toa tsy vita izay natao Satria Aho nanadino anao Ny hevitra tsy nitovizana Nefa mbola nikirizana Nahatonga disadisa Ho tandremako @ sisa Na ireo takona nafénina Ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/mirotsaka-ny-orana
Mirotsaka ny orana
Nosy Malala
Mirotsaka ny orana Mirotsaka ny orana, Ndeha haingana hangorona Ireo lamba efa ho maina, Ho lena, mitaraina. Mirotsaka ny orana, Madama saika torana, Tsy Tiana ho simbaina, Ilay volo  nalamaina. Mirotsaka ny orana, Miverina ny olana. Tondraka ny rano, Mampanganohano. Mandihy mivazivazy, Mifaly manalazy, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahita-fomba
MAHITA FOMBA
Fredy Jaofera
MAHITA FOMBA Rehefa momba ny, hoe, fitiavana ny resaka atao, mahita fomba ahatongavana rehefa tia anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyaina/mba-hanotany-kely-fotsiny
Mba hanotany kely fotsiny
NyAina
Mba hanotany kely fotsiny aho Hoe sambatra ve ianao eo antratrany? Mbola eo ve izy sa efa nandao? Ireo toetra ratsinao ve mba zakany? Hainy ve ny mandefitra rehefa ianao manao adisona? Miantso anao fona ve izy sa indraindray ianao tsy tsarony? Manambitamby anao ve izy sa ianao fona no andrasany mba hifona? Mba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhtl-rafahatelo/hita-tany-ho-any
Hita tany ho any
RHTL (Rafahatelo)
Maneno tokana ny akoho Amin'ny efatra maraina. Dia lasa moramora, mitsangana malaina Sady mitaraina hoe: Mbola misy ve ny vary maina? Ny mibahana ao an-tsaina Dia ny trosa izay hoefaina Tsy hita hotantaraina Fa mampiferotr'aina. Minitra vitsivitsy aorian'ny asa saina Dia lasa indray manangona ny lamba hosasai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/toky-tsy-ho-fitaka
Toky tsy ho fitaka
Nisainana RAFETRARIVO
Toerana no lavitra Tsy sanatria hiova ny fitia Ny foko tsy ahavita Raha oe ny hanadino andrie Isan'andro tsy mahatombona Te hiantso ny anaranao Te hitampify eo ambozona Hifamihina tsy hifandao Maro koa ny fakam_panahy Mety hisompatra sy hampiofo Saingy za efa tsy manahy Manana anao tokako tsy hiova Izaho k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/resaka-misy-volombava
RESAKA MISY VOLOMBAVA
hjravs
RESAKA MISY VOLOMBAVA. Rehefa mandinika ahy iny i Neny, Tsy maintsy miteny: Harato amin'izay re ity volombava, fa efa lava dia lava! Angamba marina ny azy, ... Saingy... na ho voasazy aho, io tsy halàko fa hanambarako ny fanaovam-beloma ny fahazazako; Indrindra hitsenako no sady hiarahabako ny fahamatoran'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/miandry-anao
MIANDRY ANAO
Zay LAFATRA
Mavamavana sy manga, izany lanitra iny izany, f'indro kely toa banga, ny fiainako eto an-tany. Nanirery tato akany, ka nieritreritra ny hoavy. Nitanisa ireo tomany, fa nahatsiaro anao ry Vavy. Miandry anao foana, na rahoviana vao ho tonga. Mbola ho avy ilay fotoana, hihoarako ilay bonga. Fa eto aho miandry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/fahalemem-pitiavany
FAHALEMEM-PITIAVANY
Zay LAFATRA
Nalemy ny tenany raha nombanjinin'ny masonao, ka tsy voateniny intsony ilay teny hoe"tiako ianao". Nihanahana kely izy ka nipitra mbamin'ny fijeriny, ny rora maina tao ambava no hany sisa mba nateliny. Ny Anja anie no tiany mba ho ravaky ny kalony. panaisotra ny jaliny sy izay mety ho fimalony. Ny rà anefa miakat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ho-ani-dox
HO AN'I DOX
NY HERIMAR
Ho an'i Dox, Ny henonao tamin'izay, Mbola saka sy totozy; Fa amin'izao andronay, Olombelon-tsy mataho-tody. Faly fotsiny haka ho azy, Tsy mieritreritra ny hafa; Tsisy iraharahiany izany fady, Ny ao an-tsainy fotsiny ho tafa. Fa tena vitany ange ny manankalo anao seza... Samy te hanam-be Nefa ny zaraina tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/ny-bandy-rehefa-tia
NY BANDY REHEFA TIA
Zay LAFATRA
Ny bandy rehefa tia...! Dia vonona hapaka-bady andry! Ary ny fanakanana azy amin'izany dia ho laviny! Fa ny haka vady anao no hany ho tadiaviny, Sy hany ho ilainy sy hokatsakatsahiny, Tsy maintsy vadiny ianao izay no ao antsainy. Ny bandy rehefa tia...! Dia vonona lalan-dava, ny hanome fahasambarana, na teny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-miandia
REHEFA MIANDIA
Fredy Jaofera
REHEFA MIANDIA Rehefa miandia, mitety tany maro, tadiavina satria harena ka fantaro. Rehefa miandia, mahazo zava-bao tsapa ho minia manilo tsotra izao. Rehefa miandia, manova ny fanahy ho hafa ka mitia vahiny lasa miahy. Rehefa miandia, misokatra ny saina ka faly, matokia fa mamy sy lalaina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/aleoko-mitso-drano
ALEOKO MITSO-DRANO
Zay LAFATRA
Efa nataoko izay mety hitiavanao ahy! Nikelezako aina fatratra hatramin'ny fanahy. kay nenao fitia vetivety mora miofo mety ritra, ka lasa izaho avy ity no mijaly mitondra kitra. ka mirarary anareo roa,tongava amin'ny avo indrindra. mahefa ny soa fa ny ahy ny foko efa nifindra. tsy mahamenatra ahy ny mahita anao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/taratasy-ho-an-janako
TARATASY HO AN-JANAKO
NY HERIMAR
TARATASY HO AN-JANAKO. Zanako, Tsy ho mandrakizay ny fahazazanareo, Tsarovy fa mety ho mafy ny zavatra hiseho; Tsy voatery izay irina no tamy eto an-tany, Saingy ravaho tsiky na fery na tomany. Tsy fahombiazana omaly andraisana lesona, Aoka ho mahitsy, tsy ho olo-mpampiesona; Ny manao ny marina, tahin-janahary,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/tsy-ny-fifamatorana-tsy
RAHATRIZAY
MAZ RAMANA
Tsy ny fifamatorana, Tsy izaho, tsy ianao. Fa NY AINA no mametra ...ny kinasa ety antany Satria tena tsy fantatro, Tsy mbola fantatrao ...ny ho tohin'izay lahatra, Na 'zay kisendrasendra, ao aorian'ny androany! Raha ho lasa aho, ...dia hanadino ahy ianao Hahita fiainam-baovao, ...tsy misy ahy intsony. Hahat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/nahoana-ianao-no-tanondri
Nahoana ianao no tanondrika
Zay LAFATRA
Nahoana ianao no tanondrika? Nahoana ianao no tomany? Nahoana ianao mila ho rendrika, Ny akaso ny eto an-tany???? Nahoana hianao no tsy mibanjina ny lanitra, Fa tolefiky ny adi-tsaina? Tsarovy fa tia anao Andriamanitra, Eny!mamaly anao izay mitaraina. Nahoana hianao no mimalo, No tady ho resin'ny fiainana? Re...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/fahafitofiraha
FAHAFITOFIRAHA
RASOA
Ataoko hoe misy ny Fahafahana Raha tsy misy olona hitsahana Ka hevitr’olom-bitsy no mibahana Mibodo toerana arahina Ataoko hoe misy ny Fitoviana Raha tsy ny lokom-piavihana No lonilony sy hanjaka Ka zary tsy ahitana asa Ataoko hoe misy firahalahina Raha ny fifanajana no kajiana Samy handefitra sy hijoro Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/fiainana
Fiainana
havotraniaina
Ny fiainana eto an-tany, raha mbola tany koa ny tany, mifandimby hatrany, ny tsiky sy tomany. Ny taona sy ny volana, navalon'ny tantara, ny anio sy ny ampitso, apetraka ho tantara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mitondra-fitahiana
TSY MITONDRA FITAHIANA
Fredy Jaofera
TSY MITONDRA FITAHIANA Tsy mitondra fitahiana ny lainga izay nambara ka toy izao ny fijaliana ho an'i Madagasikara. Tsy mitondra fitahiana ny fitapitaka mitranga ka manjary fahoriana no be manangasanga. Tsy mitondra fitahiana ny zava-nosomparana ka mahita hakiviana ny isam-baravarana. Tsy mitondra fitahian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tsy-mahafoy
TSY MAHAFOY
RASOA
Any lavitra any ianao Tsy hitako ho antsoina Lavitrin’ny vatako Iriko tsy ho tra-boina Ny sandriko niondanana Toa mangahiahy Mangatsiaka ny fandriana Ampian’ny tsiahy Saiko mikorontana Ny foko toa tsy hitempo Nilaozanao ny tokantrano Tsy misy fifaliana eto Na ny asa aman-draharaha Toa tsy vita ny hiantsoro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ahy-samirery
AHY SAMIRERY
Fredy Jaofera
AHY SAMIRERY Maneritery ny ao anatiko ao, hafahafa mihitsy ; ahy samirery ny tsapa aminao efa ho taona vitsy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/efa-ampy
EFA AMPY
MAZ RAMANA
EFA AMPY Raha ho avy ny fotoana hamakianao ity, Dia ho tsapanao mangina fa tsy izaho no voafitaka... Efa ela izao no zakako. Efa voaporofoko, sy efa nataonao tamiko, Nipololotra lainga sy tsy azo nitokisana, Efa ela ianao no fantatro! Hatramin'ny androany, no notorotoroniko ny marina rehetra izay ninianao nafen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/tiako-ianao
Tiako ianao
Nisainana RAFETRARIVO
Efa ianao no notiaviko Dia hajaiko mandramaty Ny hafa laviko,F'efa anao no ato anaty Ho iray,ho mandramaty Tsy ho rava,tsy ho faty Mandrakizay doria Tsy anampetra ilay fitia Tiko ianao,tsy sanatria rediredy ambava izany Tiko ianao,tsy haiko hazavaina,fa ianao ihany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mihezaka
MIHEZAKA
RASOA
Sahirana aho @ fianarako Be dia be ny zavatra tsy arako Ny eo tsy hay ny etsy tonga Mbola tena tsy hitako izay mety fomba Entina hitadidiana Nefa dia tsy azoko hoe andeha tsy ho raharahina Ny marika sy ny kajikajy Tsy haiko izay hanaovana azy Tsy kapaokako hatr@ izay Nitsaotsaoka aho rehefa tsy hay Tsy nety m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/lera
Lera,
Nosy Malala
Lera, Mihazakazaka foana ity lera ity, Hazoniko havanana, hazoniko havia. Fa tsy Tana mihitsy, matetika tsy miandry. Ao aoriana foana, no manenjikenjika azy. Rotoroto sisa, ny ambetiteninao, Tsisy vahaolana, indraindray mankalao. Izay tsy vita androany, ezahina rahampitso, Fa raha Lera indray tsy hanao fotoana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tanalahy
TANALAHY
RASOA
Saiko notezaiko, mazoto ny hanome Tongotro malaina ny hikisaka andeha Ny foko no mibaiko maika ny hanolotra Ireo tanako ao ivoho, mitady valiny sy tsolotra Madio ny eritreritra, toa manao ny tsara Raha manorisory ahy, valifaty ny ao afara Endrey ireo teny mamy nataoko hatrinny ela Sendra ny mamiratra aho Dia niv...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-nampisaraka-aza...2
NA NAMPISARAKA AZA...
Fredy Jaofera
NA NAMPISARAKA AZA... Na nampisaraka aza ny fiainana ange dia sahiko ny milaza fa manina aho re. Na nampisaraka aza ny anjarantsika dia ny ainga sahaza feno raha adika. Na nampisaraka aza ny lahatra izao dia ny rima no halaza rehefa ho anao. Na nampisaraka aza ny voady tiana dia hoy aho, mamafaza tsiky ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/varotra-tsy-raikitra
VAROTRA TSY RAIKITRA
RASOA
Nahita ahy izy dia nidingina Nanao ahy ho tsinotsinona Nanambitamby, nikitikitika Nanontany hoe ohatrinona Fantany ny fahoriako Dia te izy hanjakazaka Nefa ny vidiko tsy ho hambaniko Nilaza izy fa tsy mahazaka Ny faniriany anefa nihitatra Tsy nahafehy tena razazalahy Dia niteny tsy ampiheverana Te hibedabeda...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/mandrosoa-avy-hatrany
Mandrosoa avy hatrany,
Nosy Malala
Mandrosoa avy hatrany, Tsy ho avy aho hitsikera, Hisalovana inspektera. Fa manimanina havatiana, Na mbola lavitra fodiana. Mifanontany vaovao, Ny mifosa aloha tsy atao, Mizara ireo tsy ambarantelo. Arahan'kehy sy alahelo. Tapaka sy namana, Indro mifandona tanana, Araham-pitiavana madio, Nalaky hariva Izato ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mihoatra
MIHOATRA
Fredy Jaofera
MIHOATRA Mihoatra noho ny harena ny atao, hoe, fahendrena voavolavolan'ny traikefa isaky ny tonga miantefa ka tsy manam-paharoa fa mainka aza mamoa karazam-panambinana mbola feno fanginana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/fanatanjahana-tena
FANATANJAHANA TENA
RASOA
Ny masoko ho sokafako Hankafÿ ny manodidina Atongilako ny sofiko @ tsiokam-borona manidina Ireto voninkazo izay manitra Hanimbolo azy ny oroko Izay enta- mavesatra tsy zaka Apetrao mora eo an-tsoroko Andeha koa ireto tongotro Hitety lala- maro Fa ny saiko efa notezaiko Hanadino na ahatsiaro Nefa izaho tsy h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tsy-hilahatra
TSY HILAHATRA
RASOA
Mialatsiny aho afa tsy hilahatra Tsy mitovy ny hevitra dia mihaotra Tsy ny fahafahana no tsy tiako Hatramin’ny farany io hiadiko Na sanatria ny maty no tsy hajaiko Fa tiako hazava koa ny saiko Satria rehefa tsy misy ny mandefitra Na ny tokantrano aza mety hirefotra Rehefa mitampi-tsofina ny rehetra Dia tsy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy/sokafy-ny-saina
SOKAFY NY SAINA
Fredy Jaofera
SOKAFY NY SAINA Sokafy ny saina alohan'ny vava dia izay lazaina ho matotra lava. Sokafy ny saina alohan'ny teny dia hay deraina mora ombieny. Sokafy ny saina alohan'ny tsiny dia tsy ratraina iny lesoka iny. Sokafy ny saina alohan'ny valy dia tena hiaina rehefa atotaly.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zay-andevozinny-harena
'ZAY ANDEVOZIN'NY HARENA
Fredy Jaofera
'ZAY ANDEVOZIN'NY HARENA 'Zay andevozin'ny harena, tsy afaka ny ho olo-marina fa mainka aza ho sorena rehefa mila ny hamarina. 'Zay andevozin'ny harena dia olona tia manambany sy manan-tsaina mivena toa mahamenatra izany. 'Zay andevozin'ny harena dia miebo fa be fiadanana sy miaina ny fitiavan-tena mbola sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/nofy
Nofy
lain's rakoto
Toa zary nofy sisa Ilay fiainan_tsika ROA Ilay mpifankatia kely Lasa dada sy neny Toa tantara sisa Ianao Matokisa Mbola ho averin_tsika Ilay revy paradisa Nofy an'alin_kisa Nofy Toa tsy nofy Nofy Toa tanteraka Dia Lasa hoe niteraka Nofy tena nisy Nofinofy no tanteraka Nifanolotra peratra Nofy ihany izany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/fahendrena
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ento-aho-ry-tongotra-
ENTO AHO, RY TONGOTRA !
Fredy Jaofera
ENTO AHO, RY TONGOTRA !... Ento aho, ry tongotra, fa dia tiany hiongotra ny haren-tsarobidiko izay tsy mba safidiko. Ento aho, ry tongotra, fa zava-naharomotra ny fosafosa nararany ka fafako ny anarany. Ento aho, ry tongotra, fa ny aty ange rototra hahita ny tsara kokoa rehefa nizaka sy voa. Ento aho, ry t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/mendrika
Mendrika
Ny Avo Elabakaka
MENDRIKA Taranja tsy hanadinana kanefa hay tsianjery Lesona ambokambony fa mandrakotra ny saiko Tsy ilaina famerenana, fa vao indray mijery Dia mahafeno zato pejy raha toa ho tantaraiko. Antsefantsefany eny ny tsikinao mambabo, Ny Masonao mitopy voabanjiko indraindray Ny foko koa angamba no Tena mora lavo e, L...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/miritsoka-mandritsokinny
Endrikendrika
lain's rakoto
Miritsoka mandritsokin'NY foko♥ Mandrotiky NY aty fanahiko Ilay teny !teny tsy voahevitra Toa tsy niambahamba akory ianao Niritsoka izay tianao lazaina Nefa!aleoko aloha mangina Tsy anontany akory aho! Hoe inona no Antony Izay mangina hono volamena Na tsy ho izany aza izaho Ny endrikendrika izay nataonao Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/hiakananabavy
HIAKAN'ANABAVY
Ravanondrazana
HIAKAN'ANABAVY Andraso kely valy a ! Mialatsiny niantso fa kotsan-dranomaso ny ondan-dranabavy, omaly vao maraina ! Tsy tokony hitaraina tsy te andefa saina aho raha izany fotsiny. Saingy omaly ariva ? Niova be ny lokony ! Tsy dia hoe sarotiny, tsy miseho ho tompony fa kosa malahelo raha naheno fokofoko, nahen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/fitaratra
FITARATRA
Ravanondrazana
FITARATRA Raha tojo tsy fanànana Gisitra am-pianarana. Mikatsaka vahaolana ? Fitaratra hanatonana ! Ny fitaratra jerena e ! dia manontania tena. Banjino sao mahita endrika amam-bika afaka hianteherana. Ary asio fiheverana manombok'eto ny ora tokony hitetezana ny manamanam-bola. Ireny hatrany ekena, fafin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mendrika
MENDRIKA
Fredy Jaofera
MENDRIKA Tsarovy fa ny ray aman-dreny no nanome antsika ny aina ka na any an-koatra izy ireny, mendrika foana hohajaina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/bitsika
BITSIKA
Ravanondrazana
BITSIKA Inty aho manetritena Mandàla fahendrena Saingy tsy tanteraka... Fotsiny efa miezaka manao izay azo atao. Tsara loatra Ianao ry Tompo be Fitiavana mizara fahasambarana manao ny sori-dàlana mitsinjo ny malemy. Ianao no tompon'ny hery sy batery fiarovana... mibitsik'ahy ombieny ao anaty fifantohana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-nampisaraka-aza
NA NAMPISARAKA AZA...
Fredy Jaofera
NA NAMPISARAKA AZA... Na nampisaraka aza ny fiainana ange dia sahiko ny milaza fa manina aho re. Na nampisaraka aza ny anjarantsika dia ny ainga sahaza feno raha adika. Na nampisaraka aza ny voady tiana dia avia, mamafaza tsiky mangina. Na nampisaraka aza ny lahatra izao dia ny rima no halaza rehefa ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noely-no-fotoana
NOELY NO FOTOANA...
Fredy Jaofera
NOELY NO FOTOANA... Noely no fotoana anehoam-pitiavana manintona foana, sady mampihavana. Noely no fotoana mba hifampizarana ny soa, na ahoana, sy hifampiarahabana. Noely no fotoana natao hanomezana hanova ny taona sy hifampaherezana. Noely no fotoana tongavam-piderana ; Kristy no hihaona amintsika ka t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/adala
ADALA
Ravanondrazana
ADALA Adala ianao ry foko ! Vao teo no nitoloko dia manina sahady, fa tojo tambitamby avy amin'ilay nandratra ? Sa kosa efa zatra mamela toy ny zaza ? Na io saiko io aza maniry hanova loko ho botoboto saingy adala ianao ry foko !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/lehibe-sy-marina-ny-andriamanitrao
Lehibe sy marina ny Andriamanitrao
havotraniaina
Lehibe sy marina ny Andriamanitrao, Ilay namorona izao tontolo izao, Andriamanitra Avo indrindra ny Tomponao, Ilay mihazona izao rehetra izao. Iza no tsy hatahotra amin'ny fahefana ananany, fa ny hery rehetra dia eo an-tanany, tsy ny Lanitra va no seza fiandrianany, ary ny tany no fitoeran-tongony. Andriamanitr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/veloma-ianao
Veloma ianao
Vetso mena
Betsaka ny zavatra mbola tiako ho lazaina anao anio Fa aleoko tazomina ho ahy irery izany raha mba sitrakao Raha ny hanakana ahy ny handeha aloha dia fadio Fa izay no hametrahako ity taratasy ity ho anao Hiala aho, handao ny tany na sitrakao na tsia Hiala aho ary tsy manam-paniriana ny hiverina intsony Hiala aho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/veloma-malala
VELOMA MALALA
Ravanondrazana
VELOMA MALALA Hanoanana maintany Hetaheta fahavaratra. Haizim-pito foana hatrany Ny eto anilan'herinaratra. Fihafiana mankaleo Fiarahana zary sazy. Mafy loatra, aleo hatreo... raha ny hiandry mariazy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/ny-sentoko
Ny Sentoko
lain's rakoto
Raha NY fahanginako no mahatonga faharesena Mapitony firenena ,mety hitoDRA fandresena Dia aleoko hangina tsy hiteny Tsy hilaza Na hiteny Na misy opa reny Hangina aho tsy hivolana N'inona n'inona olana Raha NY molotro mikombona No hampitony NY alahelo Aleoko mangina tsy miteny Tsy hiteny aho tsy fa angina Ang...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vao-ianao
VAO IANAO...
Fredy Jaofera
VAO IANAO... Vao ianao no eritreretina dia lasam-borona foana ka mila hiteraka aretina rehefa tsy afaka hihaona. Vao ianao no hirahiraina dia mora misinda ho azy ny alahelo nolazalazaina tsy hiala fa dia hanasazy. Vao ianao no anoratana dia mora tonga ny ainga raha ambara mivantana ka hivadihany ho bainga. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iadio
IADIO
Fredy Jaofera
IADIO Iadio amin'ny fitiavana ny herin'ny ratsy dia handresy ianao ; fiainam-pahasoavana 'zay atsy ho atsy tsy hanan-draorao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/faniriako
FANIRIAKO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
FANIRIAKO malala a! raha fitiavana no tanisaina dia tsy hitako izay holazaina fa na zato an'arivon'ny pejy, aza tsy ho antonona izay rediredy fa ny tanjona tiana hiaviana dia ny resaka fanambadiana ary ny zavatra mba tena iriana sy hany mba tokana tiana dia isika ho tafara-dalana ao anatin'ny fahasambarana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/tsy-ekena
TSY EKENA
Ravanondrazana
TSY EKENA Tsy ekena raha ny mpianatra hitondra soa ny taniny no ankilabao, voaangatra sy mihinana ny anganony. Tsy ekena raha ny mpianatra manohitra ny tsy rariny no arirarira fatratra... meloina ho mpilavaniny. Tsy ekena raha ny mpianatra nomena fanabeazana no hanaiky izay alahatra na efa Edena ngazana no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/honohono
HONOHONO
AZRAEL
Honohono ve ry tiana No mahatonga anao hanahy? Honohono hoe fandrafiana Dia efa ampy handaozana ahy? Honohono ve dia vita? Mba sanatriavo re malala a! Ho vita hatreo ve ny amintsika? Tsy ho faly izao ireo mpankahala? Honohono ve? Tsy haiko, Fampiadiana tsotr'izao, Mijanona re ry aiko a! Nefa ASAKASAKAO!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/nofy-mitondra-mankany
NOFY MITONDRA MANKANY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
NOFY MITONDRA MANKANY fantatrao ve fa ao anaty sainao misy feo mibitsika mamangy mangingina ny eritreritrao dia voaresaka ao daholo ireo karazan-toky mitory ny fitia kisendra renao fotsiny ireo feo malefaka miteny moramora hitondra anao hitety ny habaky ny nofy fantatrao ve fa anaty nofinao misy olona t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kahie
KAHIE
Fredy Jaofera
KAHIE Mbola ato ireo kahie nofenoiko tononkalo ho anao ka manome ainga hatrany hikalo. Mbola ato ireo kahie nilazako ny fitiavana fony teny isika ange niravo lavitra havana. Mbola ato ireo kahie namoahako alahelo fony tsapa nandeha ny tsiahy nisy avelo. Mbola ato ireo kahie nanoratam-pihafiana ka sarobid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nayrah/ho-aniza
ho an'iza
Nayrah
Ho an'iza ny foko izay tsy onona akory amin'ny efa nekena Ho an'iza ny foko izay mbola tsy vonona ny ho tonkan-tena? Ho an'iza ity fo malahelo sy kivy mitondra kilema!!! Ho an'iza fa toa mahonena sy mahasorena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/raha-izay-no-sitrakao
RAHA IZAY NO SITRAKAO
AZRAEL
Raha tianao ho maizina ny androko rehetra, Raha tianao ny hiainako fijaliana tsisy fetra, Raha izay no sitrakao, tsy maintsy hoe handao, Dia avelao ny fiainako ho potika sy lao Raha sitrakao ny androko tsy mba hisy haniny, Raha sitrakao ny fiainako tsy mba hisy maminy, Raha tianao ny hiainako anatin'ny toloko, D...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/rehefa-mitia
Rehefa mitia
Vetso mena
Rehefa mitia dia mitiava fotsiny ihany Fa aza maika ny hitady ny fitia avy any Mety hoe tia ianao, fa izy tsy mahatsapa Ka ny ao am-ponao avy eo no haratra Rehefa mitia dia aza kobonina anaty Fa sao harary fo ka mety hahafaty Zarao amin'ny hafa, indrindra amin'ilay tiana Fa sao dia mba hotanteraka ihany ilay fan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/ekeo
EKEO
Imbitika Rambala
EKEO, Ekeo Fa tsy sanatria ka ditra Ilay niarahantsika Fa voalanja ara-tsaina Satria fitia tsy hay tohaina Tena latsaka am-panahy Matoa naha rendrika ahy Ekeo Fa tsy hasomparana Na sanatria fahazarana Manolotra fitia Amin-jatsy na izary Ilay ambezonao tena sarotra Tsy nasiako ady varotra Ekeo Fa mbola t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandanny-fo/lazao-azy
LAZAO AZY
mandan'ny fo
Lazao azy hono hoe fa ianao no tsy mila soratra sy mariazy Lazao azy fa Ny anao fitia saritrariny fotsiny ihany Lazao azy ary Fa fiainana nataonao vazivazy ihany Reo zay rehetra vita ka rava maina no niafarany Lazao azy akia ah Lazao azy fa ianao no nanakana fahasambarana Lazao azy fa Ianao no nanapaka ity f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ny-tokantrano
Ny tokantrano
havotraniaina
Ny tokantrano Ny tokantranonitsika (nareo roa), no toin'ny voninkazo, natao ho koloina, mba tsy halazo. Ny tokantranontsika (nareo roa), no seha-pisedrana, fijaliana,fihafiana, hiandrandram-pitokiana. Ny tokantranontsika (nareo roa), no tsy manam-paharoa, haharitra tokoa, ny dinantsika (nareo) roa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/fo-ny-ahy-ny-fo
Fo ny ahy ny fo
Zay LAFATRA
Raha toa ianao ka ory, ka mahatsiaro tena irery, aza hadino fa tolory, ilay tsiky iray mahery. Dia ny fianarana atao tsara, f'io no lova tsara indrindra, dia aza mba manao tara, raha toa ianao tehifindra. Hadinoy tsikelikely ireo zavatra mangenja, manohitohina ny fianaranao, avelao mahereza. Ny risiky naman...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hira-2
HIRA
Fredy Jaofera
HIRA Misy maraina indraindray manamaloka avy hatrany 'reo ora sy fotoana, na mifandimby tsy hita lany fa rehefa mihira ianao ary mifaly lavareny dia mora misinda ho azy ireny rehetra ireny. Misy masoandro indraindray tsy manafana akory, toa mazava fotsiny eo no mitady ny hampahory fa rehefa mihira ianao ka mbola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/voady
VOADY
AZRAEL
Ry voninkazo fanaperana Ao am-poko ao Mbola misy toerana Natokako ho anao Te hahita anao mafy Nefa tsy afaka manao ahoana Hany hery mihafy Ny irariana mbola hihaona Hatramin'izao tsy niova loko Ilay fitiavana ato anatiko Ka mivoady ity foko Ny hitia anao mandram-pahafatiko!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/ry
RY...!
AnjaraNivo
RY...! Izay olo-nandalo tanatin'ny foko: Maro no naka fitia dia nifindra. Tsy nisy niangarana saingy tsaroako F'ianao no nahazo ny betsaka indrindra! Ny zavatra lasa ka tonga tantara: Dia sary no sisa na tsara na ratsy F'ianao iny inoana mbola hanana anjara fonenana anaty fo mandrapahafaty! Izay soa nifanaovan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/diary
DIARY
AZRAEL
Ny penina sy taratasy Dia diary tsy ampy, Fa ny fo nandre naharary: Io no tena diary!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-olona-hendry
NY OLONA HENDRY
Fredy Jaofera
NY OLONA HENDRY Ny olona hendry dia mahalala ny zava-tsy fantany fa tsy mikendry ny hanadala rehefa tsy takany. Fredy JAOFRA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/raha-ho-avy-ilay-alina-ts
Raha ho avy ilay alina ts
AZRAEL
Raha ho avy ilay alina tsy hifohazako maraina Ka any ankoatra no fonenako vaovao Dia eo an-tratranao malala no tiako hialana aina Ka hihainoako farany ilay mandram-pihaonanao Raha ho avy ilay maraina tsy hisy alina intsony Ka any ankoatra indray no honenako any an-danitra any ambony, Dia am-bavahadim-paradisa no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andraina-arisetra/vazo-lasana
Vazo lasana
Andraina Arisetra
An-tampon'ny nofy ny hira fitendry Dia...angolan'ireo lohasaha mangina Anaty vinan'ny fampatoriana Onja-mozikan'ireo olon-kendry ! 'Reto ako aza moa mba mamonjy ny havoana... Onona monja ny hiran'ny moana... Tony ny vetson'ny vola-mazava Ontsain'ny ngadona toa tsisy tonony Miantsa ny vaniny toa tsy sahaza Anga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandanny-fo/embona
EMBONA
mandan'ny fo
manimanin'olon-tiana hono manembona irery tsy natao hisy mpijery fa kobonina ao ampo irery eo ampandriana tsapa mamirifiry tsy afa-manoatra fa mikiry te hanavao ny taloha embona tsy hay zakaina no indro mameno ny ao anaty mavesatra tsy tanty anefa fa indrisy lavitra ahy ianao ka ny embona no sisa mameno is...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/honohono-ve
HONOHONO VE
AZRAEL
Honohono ve ry tiana No mahatonga anao hanahy? Honohono hoe fandrafiana Dia efa ampy handaozana ahy? Honohono ve dia vita? Sanatriavo re malala a! Ho vita hatreo ve ny amintsika? Tsy ho faly izao ireo mpankahala? Honohono ve?tsy haiko, Fampiadiana tsotr'izao, Mijanona re ry aiko a! Nefa asakasakao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/manina-e
MANINA E,
Imbitika Rambala
Manina e, Erikeri-dririnina an-keniheny Singana re tsy afa-mankeny Dia rivotra misioka no re mba misento Mangina, mangina e ity izaho eto Dia masoandro toa malaindaina Savolaina kanefa tsy te hitaraina Dia gina irery tsy mahaloa-peo Rahoviana no hiverina indray ianareo Vavahadiko ity efa mikatona Rahoviana in...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ranomaso-raraka
RANOMASO RARAKA
Fredy Jaofera
RANOMASO RARAKA Ny ranomaso raraka 'zay ela be izay, tsy afa-nampiaraka antsika ho iray. Ny ranomaso raraka nandena ny tory, mbola nampisaraka f'efa nampahory. Ny ranomaso raraka noho ireny ratra, saika naha-tararaka fa nivatravatra. Ny ranomaso raraka tonga mangina, jereo, mampivaraka 'tony fo nariana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/tontolo-faharoa
TONTOLO FAHAROA
Ravanondrazana
TONTOLO FAHAROA Fisiana iray nofisiko amin'ny ora fifantohana... ny "Ianao" sy "Izaho" mivoady ny ifanohana amin'izay kasaina atao. Mihitsy horonantsary tsy misy fahataperana miforona ato an-tsaiko, ny "Isika roa" manerana ny "Masina" najaiko. Fisiana iray nofisiko amin'ny andro fahoriana: ny "Ianao" andrian'ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mpampianatra
MPAMPIANATRA
Fredy Jaofera
MPAMPIANATRA Ny traikefa no mampianatra tsara ny fiainana ka rehefa indrisy fa ratsy fiafara vao isainana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mifalia
MIFALIA
Fredy Jaofera
MIFALIA Mifalia amin'ny kely anananao ; mihobia fa tantely tsotra izao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/ireto-sy-iretsy-isaorako-anao
Ireto sy iretsy, isaorako anao
Ikalamako
Ireo ora maro nampindraminao, rehefa izarako ny tsiky sy ny hehiko, Ny tsororo-dranomaso fanankiko aminao, ilay izaho mitanondriky ny fahareseko, Ny fiantsorohanao ny lanja sendra mihoatra, tsy zakan'ny lamosiko nananika havoana, Ireo bozaka natafonao ilay tao-trano keliko, tsy efan'ilay tànako efa niempaky ny taona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/inona-ry-izany-
INONA ÀRY IZANY ?
Ravanondrazana
INONA ÀRY IZANY? Natao hakasokasoka eny fotsiny dia izay. Natao haverimberina amin'ny faritra iray. Natokana ho raisin'ny tàna-manavanana. Tsy zavatry ny làlana fa zavatry ny trano, Tsy mba maty an-drano... Mazàna tsy tsaroan'ireo tsy mivaky loha. Tsy misy mampanahy, tsy zava-mora lò. Natao mba ampiasain'ny vav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-marina
REHEFA MARINA
Fredy Jaofera
REHEFA MARINA Rehefa marina amin'ny tenanao ianao, tsy ho diso amin'ny hafa, na inona harina nandotoana tao ho ao ka nanorisory, nampijafa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/zetra
ZETRA
Ravanondrazana
ZETRA Zetra iray ny fiainako... - Zetra feno hatsika sahala ny any an'ala. - Zary fanaintainako ilay andro mibaliaka manompo ny fanala. Zetra iray ny fiainako... - Sakaizan'otsakotsaka sy lavitra fivoarana. - Mandà ny fitarainako revo anatin'ny oraka: tolefin'ny hasasàrana. Zetra iray ny fiainako... - Zet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tambatambazana
TAMBATAMBAZANA
Fredy Jaofera
TAMBATAMBAZANA Tambatambazana vola 'reo vahoaka madinika, hahafahany ery midola rehefa tena mandinika. Tambatambazana vary hampangina azy ireny, na dia mety hankarary, hanenenana ombieny. Tambatambazana toky fa misy ny fanantenana kanefa dia eto mamoky fahoriana be hadalana. Tambatambazana rano fa tsy ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-miala-aminao
REHEFA MIALA AMINAO
Fredy Jaofera
REHEFA MIALA AMINAO Rehefa miala aminao ny olona ratsy dia mipoitra ho azy ny zavatra tsara, ho tojo amin'izay rehefa atsy ho atsy ny nofinofy maro tsy manam-piafara. Rehefa miala aminao ny olona adala dia mitoetra etoana ireo lamin-tsaina, rindra daholo tsy mba manan-tsahala ireo andro rehetra tsy hay tantarai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/veloma-tsy-zaka
VELOMA TSY ZAKA
Fredy Jaofera
VELOMA TSY ZAKA Ny veloma tsy zaka dia tsy hay lazaina amin'ny tiana rehefa latsa-paka 'reo ratra lanjaina be fanaviana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/ity-mifarana-ny-taona
ITY MIFARANA NY TAONA
Imbitika Rambala
ITY MIFARANA NY TAONA Zandry a, Ity mifarana ny taona Tsy mety leitsy Fa injao minaona Ireo ora vitsivitsy Tamin'iny taona iny Eny aza ny fahiny Dia miverina tsy nahy Manindry ny fanahy Ny andro moa ity hariva Dia inty mieloelo Ireo oran'alahelo Tony nefa dia mafonja Misoko sady koa manonja Dia mihamaher...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/aiza-re-izany-e-
AIZA RE IZANY E !
Imbitika Rambala
AIZA RE IZANY E ! Nahatazana izy fa tsy nanarangarana Tojo izy fa tsy nitady Raha ny tsiriry ve no nandao ny kamory Nahoana ny vorondrano no lazaina Ho fady an'Itasy Ianao no vary kely an-daona Ka miantsamboamboatra Ianao no tsy nahay nitahiry Ka ny vato nanahazanao No nataon'ny olona vatofehizoro Ianao no r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-reny-tia
NY RENY TIA
Fredy Jaofera
NY RENY TIA Ny reny tia, tsy mba manaratsy, na sanatria, te hanimba vatsy. Ny reny tia, tsy mba manambany fa ho doria, manondrotra hatrany. Ny reny tia, tsy mba manangoly ka mangia tsy ahafaha-miala voly. Ny reny tia, tsy mba manakivy na anjoria mifono be angivy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/fahasambarako
FAHASAMBARAKO
Ravanondrazana
FAHASAMBARAKO Endrey ny fahasambarako fa lasako ihany ny entana. Ny vidiny aloha henjana, saika nahakivy. Saingy lafatra izy... nanosika ahy hikiry tany anatin'ny ady varotra. Ny akama nihanihany f'izaho no tena matotra ary vonona ara-bola. Mitsaika moramora mambabo ny aty foko ilay feony malefaka. Ela izay ni...