url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/tsiky-kely | TSIKY KELY | Imbitika Rambala | TSIKY KELY
Tsy voninkazo kanto
Notoazana maraina
No natolotrao ho ahy
Tsy feo milantolanto
Mandrontsina ny aina
Mankahery ny fanahy
Tsy fihetsika nihelatra
Na famantarana tsy hita
Fa TSIKY KELY menatra
TSIKY KELY nahavita
Tsy taratasy mamy
Izay nalefa na natolotra
Tsy hisy hahafantatra
Tsy bitsika hatrany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijosiana/fitiavana- | Fitiavana ? | Rijosiana | Tsy mba misangy
Fa raha tratrany ianao dia mampamangy
Sady tsara izy no ratsy
Mety ho fanafody, nefa koa mety hamono mahafaty
Mety hitondra tsiky fifaliana
Mety hitondra tomany fijaliana
Sady mamy izy no mangidy
FITIAVANA no anarany raha sendra tsy tadidy
Anao ny safidy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mirary-soa-fanilo | MIRARY SOA FANILO | Ravanondrazana | MIRARY SOA FANILO
Migadona ny andro, mipaika ny fotoana...
io fa mitsingerina ny andro sy ny volana.
Na aza mafy ny ady dia mbola iny foana
mijoro sy mitràka mamakivaky ny olana.
Ka miarahaba anao ny tary aty Avaratra.
Mirary anao ny soa sy ny lafatra rehetra.
Aoka hanetritena fa ireny no hasandratra.
Dia apetr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lia-andria/izy | IZY | Lia Andria | Izy ilay niharitra ny ditrako
Tsy mba mety leo
Na inona na inona miseho
Fa nanitsy izay rehetra vitako
Izy ilay nijaly am-pahanginana
Ireo adalako no nataony fihinana
Tsy mba nibedy na nidaroka akory
Fa tena nananatra tamin'ny fony
Izy no nanoro ahy ny lalana marina
fa izaho no mody fanina
Ireo ditraditrako t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/iny-olona-iny | INY OLONA INY | Imbitika Rambala | INY OLONA INY
Iny olona iny tsy tanako fa lasa
Nijadonjadon -tongotra nirehaka fa hiala
Namavoiny avokoa izay niarahana nikasa
Nivazavaza ery toy ny efa lasa adala
Iny olona iny tsy ampy azy ny fitiavako
Fa misy hono any fitia tanteraka sy feno
Tsy voaanatro intsony fa angamba ny fitaizako
Sy izay nitaizana azy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ny-fihatsarambelatsihy | Ny fihatsarambelatsihy | havotraniaina | Ny fihatsarambelatsihy,
misy fitampitaka satria,
ireo teny tsara ambadika,
no tetika tsara fandrika.
Ny fihatsarambelatsihy,
misy hafetsifetsena satria,
ireo hevitra entina ambakaina,
no tanjona hampiala maina.
Ny fihatsarambelatsihy,
manimba fihavanana satria,
mampisaraka mpifankatia,
no ateraky ny mpirihar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/androany-fotsiny-mama | ANDROANY FOTSINY MAMA | Joda Razakasoa | ANDROANY FOTSINY MAMA A...
Mama o!
Mialatsiny mama a! Tsy sahiko lazaina am-bava izao dia ataoko an-tsoratra,
Mijaly anie aho mama e,tsy fantatrao izany fa maro loatra ireo fery sy holatra
Mandrotika ny foko,mandoto ny fanahiko,mifona aho,tsy fantatrao izany...
Aleo aho haneho ny alaheloko,tsy maninona fa androany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandanny-fo/ankohonako | ANKOHONAKO | mandan'ny fo | ity tononkalo, nosoratako ho an'ny ankohonako
hahatsiarovany ny ady izay notolaminay hatrizay
tao ny hafaliana, tao ny sento ary koa ny ankaso
izay nampiombona, nampifankatia anay
ny sedra nianjady, ny rahona nanarona
ireo tsiky nisoritra teny amin'ny tava
ora vitsy monja anefa toa nijanona
nifaly, miramirana, l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tiako-ianao | TIAKO IANAO | Fredy Jaofera | TIAKO IANAO
Tiako ianao
rehefa mitsiky,
tsy mitsaho
fa fitia mikiky.
Tiako ianao
rehefa mihafy,
tsy be lalao
sy tsisy atafy.
Tiako ianao
rehefa mihira,
tohizo izao
sy mamikira.
Tiako ianao
rehefa mijaly,
avia, andao
re hiara-paly. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/indraindray | INDRAINDRAY | Joda Razakasoa | INDRAINDRAY TIAKO...
Indraindray tiako ny mijaly,indraindray tiako ny marary...
Indraindray mba tiako voaratra kely any anatiko any,
Indraindray tiako ny mitomany,indraindray tiako ny lavo,
Indraindray aho manetry tena kely tsy te hisandratra avo!
Rehefa mijaly aho mantsy,manomboka tsapako mahery,
Rehefa maratra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/marary-aminy | MARARY AMINY | Joda Razakasoa | MARARY AMINY...
Iny zazavavy iny...
Ranomaso am-po tsy ambarany amin'iza!
no mikoriana anatiny,mamonto ny tontolony,
Ny herika nifafy tamin'ireny harivariva,
Mbola hirany eto izay tsy ahitany solony,
fa mangidy ny tangena mitobaka eo imolony
Mandatsa ny fahiny,
Dia-tongotry ny lasa teny amorom-pasika
no nitera... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/izaho-mitarika | IZAHO MITARIKA | Imbitika Rambala | Izaho mitarika
Izaho mitarika eo aloha izy kosa ao aoriana
Dia iny izahay mananika iny Ambohidahy iny
Mivoa-dinitra sy sempotra ary koa mivilavila
Feno loatra ilay sarety nefa mbola voatsiny
Mangahazona efajato avy ho anay mivady
Rehefa mitatao vovonana eo ho eo ny masoandro
Ity sarety ity no fitaovana entinay m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/pao-tsatroka | PAO-TSATROKA | Imbitika Rambala | Pao-tsatroka
Fa ny azy
Tsy nanitsaka sekoly
Tsy mahita kokikoly
Fa ny tanam-polony
No nataony solon'ny
Solaitra sy ny penina
Tsy an-kimenomenona
Izay mba tao an-tsainy
Izay mba kely hainy
Izay mba kely hitany
No mamaritra izay vitany
Dia
Miainga vao maraina
Tsy mba mitaraina
Dia indry mivikiviky
Miloloh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/sedra | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/diso-ve-ny-kajy- | Diso ve ny kajy ? | Ikalamako | Fa setrasetrain’ny fiadian’ny saiko
Tsy avelany ho tony lay torimasokeliko.
Ny ondana nandriako mandon’hatsembohana,
F’ito lohako ito toa mangotra-tokana.
Ao anaty haizina ny masoko sahirana
Maminany izay misoratra amin’ny valindrihana.
Ianao, izaho, isika… Omaly, anio, rahampitso...
Dia sanatria ve ny kajiko ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/am-pitiavana | Am-pitiavana | Vetso mena | (Ho anao ry ilay nandray ahy ho namana, nefa noraisiko ho toy ny olon-tiako. Tsy vitako ny hijanona ho namanao fotsiny ary fantatro fa tsy ho ekenao mihitsy aho. Ka raha nandao anao tsy nilaza n'inon'inona aho, dia tiako ho hitanao ity tonokalo ity izay fara-hafatro ho anao.)
Am-pitiavana
Raha hifandao ihany isika an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/mpanoratra-sy-ny-tononkalony | Mpanoratra sy ny tononkalony | Nosy Malala | Mandinika ny soratanany,
Maro ireo voasoratra,
Fa samy manana ny anjarany :
" Hafa kely ity iray ity,
Mipetsompetsona ery,
Vatambatana izany,
Nefa mbola Tiako ihany.
Ary ise ito, toa mandringa,
Ny gadona toa tsy mirindra,
Aiza izany tena lafatra....
Nefa mbola Tiako fatratra.
Ity 'ray ity indray toa diary,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aloka | ALOKA | Fredy Jaofera | ALOKA
Miverina amin'ny nofy
ny aloky ny lasa
ka indraindray ny rofy
no tonga miasa.
Manaintaina ombieny
ny aloky ny lasa
ka aleoko tsy miteny
fa ny fo voarasa.
Miaro fahatsiarovana
ny aloky ny lasa
zary mahatorovana,
tsy misasasasa.
Tsy mampandry saina
ny aloky ny lasa,
na tsy hay tantaraina
sy mbola mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrm/raha-nampoiziko | Raha nampoiziko | RRM | Raha nampoiziko eny mantsy
tsy nataoko akory ireny
toa voatsatoky ny antsy
izato tenako malemy
efa fantatro fa zaza
fa niniakao natao
hadisoako no niaza
hoe ty foko tia anao
ataoko ahoana anefa moa
fa ho zakaiko raha izany
tsy nampoiziko tokoa
nefa misaotra anao ihany
dia tsy hitako intsony
maizina amiko t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/lafatra-tsy-misy-kianina | Lafatra tsy misy kianina, | Nosy Malala | Lafatra tsy misy kianina,
Ilay tsiky kely omaly,
Indray nipika monja,
Nanafak' ilay jali
N'ny fo voafonja.
Fijery toa mandinika,
Mitaratra fanahy,
Kanefa tsy manilika,
Fa toa miantso ahy.
Ny hatsaran-tarehy,
Lafatra tsy misy kianina,
Jereo kely ange,
Anjely tena matihanina.
Izato fahavononana,
Fizarana za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/imbitika-rambala/takariva-sarobidy | TAKARIVA SAROBIDY | Imbitika Rambala | Takariva sarobidy
Injany akalo midoboka
Sy feon'ankizy mihoraka
No manako hatraty
Eton'aratra mandoko
Ny tanety sy ny avoko
Dia naatoko ny dia
Dia iny tamy iny
Tovovavy sy ny siny
Avy tany am-pantsakana
Ary mifanadrohadro
Amin'ilay mpiarakandro
Manamy ny tanàna
Dia takariva sarobidy
Ka na fo inona mihidy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-mihira | REHEFA MIHIRA | Fredy Jaofera | REHEFA MIHIRA
Rehefa mihira
fahatsiarovana
ny foko be tomany
dia maniratsira,
mahatorovana
ny ritsoky ny tany.
Rehefa mihira
ny androntsika
ny ora tsy misava,
any andakira,
misy mozika
hontsa lalandava.
Rehefa mihira
fitiavana indray
ny tsapa mandeha
dia saika arira
fa tena mahay
mampitony ange. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/ho-anarinny-fiainana | HO ANARIN'NY FIAINANA! | Teboka Telo | Maty aho Bada, ka maty aho Neny
Fa hay ireny sipa manidina ireny
Tsy misidintsidina fahantanintany
F'indraindray toy ny gisa, misoroka tany!
Ka raha vao sodokan'ny lango malefany
S'ireo orokoroka eny an-tsefatsefany,...
Asian-tsafosiakany, mampandry adrisa;
Dia miomankomana ho taolana sisa!
Maty aho ry 'nao, e!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tokiko | Tokiko, | Nosy Malala | Tokiko,
Tokiko Ianao, tsy misy ahiahy,
Ny fiainako ety, Ianao no miahy .
'reo fahotana, na koa ny hakiviana,
Efa nentinao teo amin'ny hazo fijaliana.
Raha malokila, izato masoandro,
antsoina ianao, maraina sy atoandro,
Iza indray moa, no hitokina mihoatra anao.
Mpandresy sy nahary izao tontolo izao.
Misy ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy-hery-njakatiana-nhn/sento | SENTO | Nofy Hery Njakatiana (NHN) | SENTO
Io lay toerana fahiny
Niarahana nampiaraka
Indrisy mantsy ankehitriny
Zary tafasaraka
Io iany koa lay voninkazo
Zary taho maina tsy namoa
Toa kilakila sy nandazo
'lay vonkazon-tsika roa
Tsiaro tsy hay hadinoina
tadidy tsy afaka an-tsaina
toa tatara saro-bonoina
....zary mitaraina
Lay diavolana balik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy-hery-njakatiana-nhn/ho-ajaniko-ho-sary-ao | *Ho ajaniko ho sary
*Ao | Nofy Hery Njakatiana (NHN) | *Ho ajaniko ho sary
*Ao anatiko ao ry foko
*Reo endriky ny voary
*Isan'izany reo rozy mena tsara loko
*Voalaza sy voasoratra
*Omaly anio ho mandrakzay
*Lay volana tomaratra,
*Ameno ny asambarana iray, |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ho-tanora-foana | Ho tanora foana, | Nosy Malala | .... Ho tanora foana ,
Rehefa manodidina ny dimampolo,
Tsy mahagaga raha fotsy ny volo.
Endrika vao, mahababo fitia,
Matotra ery, sy maha-te ho tia.
Misy ireo hafa, tsy fotsy volo akory,
Fa sola avy hatrany, mandao ny kamory.
Mendrika deraina sy fakahatahaka,
Manao vy very aina, ho avin'ny taranaka.
Ny haza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tena-fahavalo | NY TENA FAHAVALO | Fredy Jaofera | NY TENA FAHAVALO
Ny tena fahavalo
dia mody namanao
rehefa miadan-tsaina
ka sarotra atakalo
rehefa be ny raorao
kanefa tsy antenaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-kely | MISY KELY | Fredy Jaofera | MISY KELY
Misy kely momba anao
mipetaka amin'ny tena,
na dia any ka hazavao
ity andro mahasorena.
Misy kely momba anao
mamelona ny fiainako,
tsarovy re ka aza atao
hahabe ny fitarainako.
Misy kely momba anao :
hasambarako ho doria
ato am-po tsy mandao
mampirehitra ahy fitia.
Misy kely momba anao
tsy mamik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy-hery-njakatiana-nhn/sahinao | SAHINAO | Nofy Hery Njakatiana (NHN) | SAHINAO
Dia sahinao no nanambara
fa ny an-tsika ange tsy anjara
dia sahinao no nanambra
fa ny an-tsika ajanona ho tatara
dia sahinao no niteny
hevero ho angano reny lasa ireny
dia sahinao nanafoana
ireo voady nifamofoana
dia sahinao no mbitsika mangina
hoe:"izaho efa mana-tiana"
dia sahinao no nampanatena
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitahiana-sy-fitiavana | FITAHIANA SY FITIAVANA | Fredy Jaofera | FITAHIANA SY FITIVANA
Ny reny
dia fitahiana
mbola igagana,
babeny,
na rahoviana,
'reo hadalana.
Ny reny
dia fitiavana
'zay hafa kely,
voleny
ho goavana
sy ho modely. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vitsy-ny-manome | VITSY NY MANOME | Fredy Jaofera | VITSY NY MANOME
Vitsy ny manome
fa maro ny mangataka
no tsapa aloha hatreto ;
izay no misy ange,
jereo ny mpanatataka
fa mifaly, eritrereto !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy/biby-hafahafa | BIBY HAFAHAFA | Fredy Jaofera | BIBY HAFAHAFA
Biby hafahafa
ny olombelona,
sarotra ahitsy :
tia mampijafa
ka mpamelona
ahiahy mihitsy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/may-ny-tanindrazana | MAY NY TANINDRAZANA | Fredy Jaofera | MAY NY TANINDRAZANA
May ny tanindrazana,
may an-kasomparana,
lasa ho tany ngazana
no hisy vao mifarana.
May ny tanindrazana,
may ho Nosin'ny afo,
n'aiza n'aiza tazana,
mbola io mitafotafo.
May ny tanindrazana,
may manimba ny ala,
izao no fahavoazana
rehefa tsy mahalala.
May ny tanindrazana,
may daholo ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tomanin-tsakaiza | Tomanin-tsakaiza | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Ny tomanin-tsakaiza tsy mba alahelo,
Fa tomanim-pitiavana alefan'ny hanina.
Sarihan'ny tsiahy izay mamelovelo,
Tonga eo amin'ny maso fa sarotra afenina.
Ny tomanin-tsakaiza tsy vesatra anaty.
Fa porofom-pitiavana tsy misy nenina.
Voaentan'ny tsara izay tsy mety maty,
Aseho amin'ny maso fa tsy misy pentina.
Ny t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/valio-tononkalo | VALIO TONONKALO | Fredy Jaofera | VALIO TONONKALO
Valio tononkalo
ny fitiavanao ahy
raha tsy handalo
fa mamiko, lahy.
Valio tononkalo
ny alahelo izany
fa mamoha kalo
manjary tomany.
Valio tononkalo
ny tantarantsika
tsy hay atakalo
sy mahasariaka.
Valio tononkalo
ny ora nihafiana,
aoka tsy himalo
fa fangirifiriana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/meloka | MELOKA | Fredy Jaofera | MELOKA
Meloka ny tsirairay
tamin'ireo soa
tsy mba vitany ;
tsy, hoe, sarobabay
mamely tokoa
fa dia ho hitany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tsy-maintsy-tafita- | Tsy maintsy tafita ! | Vetso mena | Latsaka ambany aho, nilaozan'ireo hoe namana.
Nanao fahadisoana aho, nolatsain'ireo havana.
Tsy mba nisy ny nanarina, fa vao maika aza naneso.
Ka voatery aho niarina, ary tsy maintsy nandao teto.
Fony aho nangataka ny mba hahazo izay fanampiana.
Nolazaina foana hoe izaho mihitsy no efa tsy mahaliana.
Ka voatery a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tiako-ho-tantaraina | Tiako ho tantaraina | Nosy Malala | Tiako ho tantaraina,
Tiako ho tantaraina,
Indray andro any,
Ho lavitra taraina,
Izany foko izany.
Tiako ho lazaina,
Ho ren'ny vazantany.
Malagasy miaina,
Manako any ho any.
Tany tandalana,
Anjakan'ny fahamarinana.
Ny harempanjakana,
Mitsinjo izay sahirana.
Ny rano sy ny jiro,
Eran'ny vazatany.
Ny tanora ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tolona | TOLONA | Fredy Jaofera | TOLONA
Raha tsy misy tolona
dia tsy misy fivoarana
ny tanjona tratrarina ;
ny tany tsy ho olona
nahalala fiakarana
fa ny mora marina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tiako-ka-tsy-ariako-na-l | Tiako ka tsy ariako,
Na l | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Tiako ka tsy ariako,
Na lazainao fa tsy fanaperana.
Tiako sy lalaiko fa marary ny aiko,
Ka tsy sahiko ho ferana:
Ny foko oriory izay mikatsaka sahady,
Hasambarana eo akaikiny
Na dia iantsoanao tody sy hoe fady
Ary tsy ahazoako rariny.
Nefa aho sahy hiteny fa mbola ao anaty,
Ilay fitiavako voarara sy nahazoako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/vimbino-re-ny-foko | VIMBINO RE NY FOKO | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Vimbino re ny foko, iny izy ento anao makany;
Izay rehetra anatiny ao, foiko ho anao ho any.
Misy maintso ao, misy manga, sy loko maro isa,
Ao koa ny volamena sy ny harena tsy voaisa.
Iny izy ka raiso, dia ento an-tanan-droa.
Aza averina amiko intsony na ho ratsy na ho soa.
Izay voatrako ao, izay efa ela izay;
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado_albert/tsi-itanao-zah-zah-anie-o | Tsi itanao zah
Zah anie o | rado_albert | Tsi itanao zah
Zah anie oa eto ihany
Fa ianao variana ambadika any
Tsy itanao zah
Mbola miandry sasatra
Manantena anao izay efa fantatra
Tsy itanao zah
Ny hioava tsy amzany
Tena miandrandra anao hatrany
Tsy itanao zah
Efa tsindrin-daona
Sanatria raha mbola hanafoana
Tsy itanao zah
Mitalaho mba hijerena
Mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maizina-max/cruchko-taloha | cruchko taloha | maizina max | ianao
ianao tiko tamizany kanefa tsy tia ahy
inao nofidiko kanefa tsy niraharaha ahy
ankehitriny aho matadidy ka lasalasa amborona
ankehitrina hao matsiaro ka tonokalo no voaforona
ka ny any mba faniriko de anilanao iaradalana
nifaniriko no bma onamanao atramifarany
onamanao amakivaky ity fiainana
tiko izarana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/paradisa | PARADISA | Fredy Jaofera | PARADISA
Paradisa ny tany
misy an'Andriamanitra,
ny heloka fafany
sy manga ery ny lanitra.
Paradisa ny tany
'zay iasan'ny fitiavana,
tsy manambany,
na inona, fa mihavana.
Paradisa ny tany
'zay misy ny fiadanana ;
mandry hatrany
fa lavi-pahasahiranana.
Paradisa ny tany
tena itoerana hafaliana ;
nofy ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hatezerana | HATEZERANA | Fredy Jaofera | HATEZERANA
Ny hatezerana
no rivotra mamono
ny labozian'ny saina
vao miserana
satria ny aty mifono
zava-marina lazaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voa-nafafy | VOA NAFAFY | Fredy Jaofera | VOA NAFAFY
Tanako mafy,
sady am-pahatsorana
izao fa makadiry :
ny voa nafafy
no tondrahan'ny orana
fa tsy 'zay tahiry. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fianarana | FIANARANA | Fredy Jaofera | FIANARANA
Ny tsara indrindra
amin'ny fikorontan-tsaina
dia izay fianarana
fa manan-drindra
raha toa ka lanjalanjaina
sy mety ivoarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/doro-tanety | DORO TANETY | Fredy Jaofera | DORO TANETY
Ny doro tanety
dia loza tadiavina
tsy ho voatety
fa mahatsiravina.
Ny doro tanety
dia feno hafanana
manimba fety
fa harena ravana.
Ny doro tanety
dia biby aringana
zava-tsy mety
maha-voafingana.
Ny doro tanety
dia fanahy iniana,
saino vetivety
raha nitomaniana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/fony | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/aleoko-mangiana | ALEOKO MANGIANA | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Aleko aloha mangiana
Mizaka izay miseho
Raha 'zay no sitrakao
Ekeko ampifaliana
Ny ora iray nangidy
Izay nandehananao
Indrisy akia ry tiako
Fa sahanao nandainga
'Lay foko efa naratra
Eny e! ifaliako
Ny zioga izay zakaiko
Hiezaka aho ho zatra
Ekeko fa adidy
Ny mampahalala ilay
Fitiavako ho anao
Kanefa iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tanamasoandro | Tanamasoandro | Nosy Malala | Tanamasoandro,
Teo amoron-tsahakatsaka,
Indro enao tazako niavaka.
Tokana amoron-dalana,
Azafady ombay lalana....
Toa tsy nandry izany saina,
Niverina, nitaitaina.
Hanadihady ? Toa tsy sahy,
Sao miavonam-panahy ?
Nitafy hery ihany,
Tsy nihafahafa nanontany.
Hoe maninona eo Ianao ?
Diso toerana angaha, no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/vantanina-ny-resaka | Vantanina ny resaka | havotraniaina | Vantanina ny resaka.
Aoka ho vantanina ny resaka,
ny fari-piainana no tari-dresaka,
ny olombelona mifanaretsaka,
no ahitana ny votoatin-dresaka.
Aoka ho vantanina ny resaka,
ho an'ny olona mahantra,
ireny no mila mivoatra,
ho vonona ho tsara voatra.
Aoka ho vantanina ny resaka,
ho an'ny olona lavitrezaka,
ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fotoana-mahasoa | FOTOANA MAHASOA | Fredy Jaofera | FOTOANA MAHASOA
Ny zava-drehetra
dia ho tonga aminao
amin'ny fotoana mahasoa,
aoka tsy hitsetra
fa ho fiainam-baovao
mbola tsy hanam-paharoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tiako-foana-izy | Tiako foana izy | Vetso mena | Tiako izy ary nanamarika ny lasako.
Tiako foana izy ary hitondra ny ho aviko.
Tiako izy ka navelako nitondra ny lalako.
Tiako foana izy ary afoiko azy ny aiko.
Tiako izy na dia indraindray aza marary.
Tiako foana izy, na dia mafy ny tsapa.
Tiako izy, eny tiako hatramin'ny farany.
Tiako foana ianao, eny ry tenako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tadim-pitana | Tadi-pintana | Nosy Malala | Raha tena te hanampy hono,
Dia tadi-pintana no omena.
Fa tsy trondro voajono,
Na novidina teny an-tsena.
Ny toloram-potsiny mantsy,
Tsy manentana hiezaka.
Raha hiandry fanampiana avy atsy,
Vao mainka ho olana midezaka.
Tsy amidy ny safidy,
Na atakalo vatomamy.
Tadi-pintana no izy,
Hitondra trondro tsy ho la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-manaiky | TSY MANAIKY | Fredy Jaofera | TSY MANAIKY
Ny olona tsara,
tsy manaiky ny ratsy
hitoetra ao aminy,
na inona ambara
sao indro hamatsy
zava-tsy maminy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ho-tonga | TSY HO TONGA | Fredy Jaofera | TSY HO TONGA
Maninona no miady fidinana
rehefa olona maro no noana
sy manjary toa very zo ?
Tsy ho tonga fahamarinana
'zay lainga naverina foana,
na haniry nify ny akoho. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hoavy | NY HOAVY | Fredy Jaofera | NY HOAVY
Mandrosoa,
lolohavy
ireo kinasa ;
tsara kokoa
ny hoavy
noho ny lasa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/fiainana-tily | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-fay | TSY FAY | Fredy Jaofera | TSY FAY
Ny olona tsy fay
raha tsy efa voa
vao lesona izay
tena mahasoa.
Ny olona tsy fay
raha tsy efa lavo
vao indro mahay
misondrotra avo.
Ny olona tsy fay
raha tsy efa resy
vao iny mandray
amboara misesy.
Ny olona tsy fay
raha tsy efa tara
vao tsy ny kakay
no hizotra tsara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mandeha-irery | TSY MANDEHA IRERY | Fredy Jaofera | TSY MANDEHA IRERY
Tsy mandeha irery
rehefa miaraka
amin'Andriamanitra :
ny tena tsy ho very
fa avy hiraraka
ny fitahian'ny Lanitra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/niaina | NIAINA | Fredy Jaofera | NIAINA
Niaina ianao
rehefa nitia,
ny lasa ialao
fa mankahia.
Niaina ianao
rehefa nijaly,
ny eto afaho
ho fo mifaly.
Niaina ianao
rehefa nizaka,
ny toky avaho
fa lalim-paka.
Niaina ianao
rehefa nihafy,
ny soa araho
fa mba fitafy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-repoblika | NY REPOBLIKA | Fredy Jaofera | NY REPOBLIKA
Ny repoblika
dia zon'ny tsirairay
hahazo fahafahana
ka ilaintsika
rehefa tsy handray
lalam-panjanahana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/demokrasia | DEMOKRASIA | Fredy Jaofera | DEMOKRASIA
Ny olom-pirenena
no manao ny repoblika,
na rahoviana ? Matokia
ka miaro tsy hay fefena
amin'ny tolona sy hiaka
ny hoe : « demokrasia ». |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fotaka | FOTAKA | Fredy Jaofera | FOTAKA
Aoka tsy hilaza fotaka
rehefa tsy avy ny orana
fa manimba fihavanana ;
mainka aza hampilotaka
sy indrindra hahatorana
anao ihany raha tanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/finoana-ny-avo | FINOANA NY AVO | Fredy Jaofera | FINOANA NY AVO
Mahita ny tsy hita
no finoana Ny Avo
vao afaka hahavita
ny adidy maharavo.
Mino ny tsy inoana
no finoana Ny Avo
vao tsara hirosoana
ny asa tsy handavo.
Matoky ny sarotra
no finoana Ny Avo
tsy iadiana varotra
fa tsy manjavozavo.
Manova ny anjara
no finoana Ny Avo ;
izay re ka mivoara
fa sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-irery | TSY IRERY | Fredy Jaofera | TSY IRERY
Tsy irery ny tena
raha misy mozika
manala fahanginana ;
ny hira tsy hihena
fa dia hahasariaka
no azo amintinana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ny-fiainana-1 | Ny fiainana I-1 | Ilay FANAMBY | Tohiny,
-sahabo tokony t@ 11h,
kalo a! Ndao aky hody! Hoy ilay namany dondona té hamatatra ny tantarany,
- indry ku!! Hoy i kalo niangola namaly tao anaty filomanosana,toa tsy tsaroany akory fa izy dia ory,
Ndao ary! Hoy kalo namaly..toa maivana ah zany ry meva sa ve nandao kely ah lay "sedra"
-kalo a! Tsara zany,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/fiainana-i | NY FIAINANA I | Ilay FANAMBY | FIAINANA I,
I KALO(Fizarana 1)
-Kalo a! Maninona ianao? Hoy lay namany miantso ah mangina maha te ho tina,
Manontany ampanajana toa rendri-kasasarana
-Eto zaho ! hoy kalo namaly moramora rendri-kamokora,
Alahady mako anio ka ndao mba hivoaka,@ ty andro tsara loatra
-ndao ary! Aiza no hirozy? Sa ho eny andriaka,e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ilay-takarivantsika-2 | ILAY TAKARIVANTSIKA | Fredy Jaofera | ILAY TAKARIVANTSIKA
Takariva mahamanina, takariva nangatsiaka
takariva tsisy kintana ilay takarivantsika ;
ny rivotra mitsoka, miparitaka ny feo
f''ianao irery sisa anio no mba tsy teo.
Nofinofiko eto indray ary tadidiko tsy nahy
ilay oroka imolotra toy ny oroka am-pnahy ;
tsapako eto indray 'lay ianao mba teo a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/namela-mamy | Namela mamy | Nosy Malala | Namela mamy,
Nisy hono firenena,
Zava misy ka ekena,
Nentina-mpanjaka revo,
Nisy hova sy andevo...
Niaina tanaty fanjanahana,
Dia niandrandra fahafahana.
Taona maro aty aoriana
Lavitra ny faniriana.
Misy ireo manjakazaka,
Mihevitra fa tena pata.
Taratra ny fanjanahana,
Voaroba antsoko ny fananana.
Ny anj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahita-tsara | MAHITA TSARA | Fredy Jaofera | MAHITA TSARA
Zava-misy to
no injao ambara
tsy hahitana ankaso :
amin'ny fo
no mahita tsara
fa tsy amin'ny maso. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ny-olom-banona | Ny olom-banona | havotraniaina | Ny olom-banona.
Ny olom-banona hoy ianao?
dia ny olona nianatra,
zovy no tsy hianatra,
dia hoy aho hoe: Tsia.
Ny olom-banona hoy ianao?
dia ny olona malaza,
niavaka ka fanta-daza,
dia hoy aho hoe: Tsia.
Ny olom-banona hoy ianao?
dia ny olona tafita,
niezaka ka nahavita,
dia hoy aho hoe: Tsia.
Ny olom-banon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ashmia/namana | Namana | Ashmia | Izy,ilay noheverinao
Fa tena namana
Nefa namitaka anao
Teo amin'ny fiainana.
Izy,ilay noheverina
Fa tsy ahavita hamitaka
Kanefa namadika
Tamin'ny andro tsy nampoizina.
Lazainy fa namany
Eo anatrehanao
Fa kosa fahavalony
Rehefa tsy eo ianao.
Namany hono aho kanefa fosainy
Namany hono aho nefa tsy rarahina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hadalan-dreny | HADALAN-DRENY | Fredy Jaofera | HADALAN-DRENY
Hadalan-dreny
no nahitana faisana,
nampahory ombieny,
nanimba fifandraisana.
Hadalan-dreny
no nanahiran-tsaina
fa nandatsa lavareny
ka tsy haiko tanisaina.
Hadalan-dreny
no nahataraiky ery
ka ny nofinofy teny,
saika maty raha nitia.
Hadalan-dreny
no nanaloka ny ora
fa ny tiako tsy nekeny
k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eritrereto-ny-lasa | ERITRERETO NY LASA | Fredy Jaofera | ERITRERETO NY LASA
Eritrereto ny lasa
raha nahafinaritra anao,
ento marina hiasa
hitory fiainam-baovao.
Eritrereto ny lasa
raha nibaby fiadanana
ka asaivo manasa
ny ratra ela nananana.
Eritrereto ny lasa
raha nivoy hafaliana
mbola hisasasasa
eto ery, na rahoviana ?
Eritrereto ny lasa
raha nigoka fitiavana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fialonana | NY FIALONANA | Fredy Jaofera | NY FIALONANA
Aretim-panahy
ny fialonana
mikiky ahiahy
ka takonana.
Toky tsy ampy
ny fialonana
te hiantsampy
vao ijanona.
Lozan'ny adala
ny fialonana
tsara mba hiala
tsy hironana.
Ratsy mandeha
ny fialonana
mamitaka ange
ka saronana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/voninkazo-sasatra | voninkazo sasatra | cedarf | nitety tany an'ala aho ka nahita voninkazo
kanto sady fatratra,
mamerovero manitra, tsy hinoako hoalazo
mihendri-java-tsoa, kanefa mbola ho sasatra...
miloko mavokely lay felany malia,
satriko otazana,
voatoto-tany ravo, kinanjo, hay lay tia:
zay saika homeko an'azy, lasa, tsy hita ho tazana.
ambany rangolahy, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tsara | NY TSARA | Fredy Jaofera | NY TSARA
Indraindray,
mandalo ny ratsy
vao mahazo ny tsara ;
marina izay,
jereo atsy ho atsy
fa hitsiky ny anjara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/tiako | TIAKO | havotraniaina | TIAKO
Tiako ianao ry aiko,
ka koloiko sy lalaiko,
ho endriky ny saha,
ho tazanin'ny mpizaha. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/mandroso-ny-fotoana | Ny tontolo sy ny fotoana | havotraniaina | Ny tontolo sy ny fotoana
Mandroso hatrany ny fotoana,
ny ora,ny andro, any taona,....
Ireo zava-boahary mandavataona,
no endriky ny voahary tsy ho foana.
Ny omaly ny anio ny ampitso,
no tantaram-piainantsika.
Ny lohataona sy ny hatsiaka,
no vanim-potoana iainantsika.
Ny tontolo eto an-tany,
no mihasimba hatra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ny-velona | Ny velona | havotraniaina | Ny velona
Ny velona no hasohasoana,
ny maty no tsarotsaroana,
ny asa imasomasoana,
ny tsara vetsovetsoina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/mino-aho | MINO AHO | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Izaho mino an’i Kristy
Izay efa tonga tety
Hamonjy izao tontolo izao
Mba tsy ho very izaho sy ianao
Izaho mino ny Batisa
Handevin’ota tsy voatanisa
Handray fanahy manan-kery
Mitarika ahy tsy ho very
Izaho mino ny baiboly
Handresena ny devoly
Koa mankahala ny ratsy
Hiaro ahy tsy ho fat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/veloma-mbola-ihaona | VELOMA MBOLA IHAONA | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Atreto ilay ora voatendry
Izay tsy maintsy ifandaozantsika
Koa tapitra hatreto ary ny karenjy
Tsy maintsy farànana na mbola tsy vita
Tonga ary inty ny fotoana
Izay tsy maintsy isarahana
Andaozako ny anaranao
Andaozako ny fitiavanao
Tena mafy amiko tokoa
Ny andao anao ry ilay namako tiako
Nohon’ny hama... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mivoy-ny-saina | MIVOY NY SAINA | Fredy Jaofera | MIVOY NY SAINA
Mivoy ny saina
am-pahamarinana,
dia toetra ilaina
feno fanambinana.
Mivoy ny saina
am-pahamatorana
dia mitory aina
amin'izay izorana.
Mivoy ny saina
am-pahamboniana
dia soa vohaina
hidiram-pitoniana.
Mivoy ny saina
am-pahombiazana
dia azo lazaina
fa misy hery tazana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/takaro-malala-a-nisy-v | TAKARO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TAKARO
Malala a,
nisy voa natsipiko izay
teo an-tokotaninao
tsy fantatro hoe oviana
na andro toy ny ahoana
fa ny masaka ato an-tsaiko
hoe : angamba efa nitsiry
ilay voa izay natsipiko
teo an-tokotaninao
na aza efa namelana
manomboka mimaitso
saingy mety tsy ho tazanao akory
malala a, io voa io
no mba hany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/niova | Niova | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | NIOVA
Nihamaizina sy maloka, ‘lay raho~nitsitokotoko
Izay mba hany nanandrify, ny vara-nefitry ny foko
Lasa osaosa taratra, ilay masoandro nantenaiko
Hanazava izay mba anjarako, hanampy herin’itsy aiko
Niaketraka ny tanjaky ny ravin’ito vonikazo
Nitolefika ny felany; toa tsy ho ela dia halazo
Nitanondrika ny lai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ny-tena-namana | NY TENA NAMANA | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Ny tena namana dia tsy manary
Manampy amin’ny andro sarotra
Maneho fitia miharihary
Mamonjy anao tsy anadi-varotra
Marary ny marary anao
Mitomany ny alahelonao izy
Mahatsapa ny fahorianao
Fa raha ny akoatr’izay dia tsy izy
Ny tena namana dia sahy
Mijoro ho namanao eny foana
Dia ilay mis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ho-maraina | Ho maraina, | Nosy Malala | Ho maraina,
Izato havitrihanao,
Manosika varamba,
Mitsiky fa tsy mitalao.
Mamakivaky Andavamamba.
Ery, mibaby zaza koa,
Mivarotra amoron-dalana,
Voanjo amidy amin'ny madikô,
No antoka mba hihinanana.
Gony efa ho efapolo,
Taritinao ami(n'ny) sarety.
Ny hafanana toa mandoro,
F'enao mijoro tsy mba resy.
Alimb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mila-miova-fomba-amam-panao | HO FIRENENA SANGANY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Raha te hivoatra eo amin'ny fiainana ;
mila miova tanteraka ny foto-pisainana.
Miezaka miala amin'ny mangata-dava ;
vao maraina miasa ny zavona hisava.
Ilaozana ny fihetsika mampandry adrisa,
mandoka tena foana anefa mampikorisa.
Fiaraha-mientana hivoatra no tena ilaina ;
tsy hampanantena lava no foto-pisaina.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/mikarakara-taratasy | Mikarakara taratasy | Nosy Malala | Miandry laharana,
Laharambe ny fikarakarana taratasy,
Lany eo ny fotoan-dRaMalagasy.
Efa Hatramin'ny firy maraina,
No niandry, fa tsy afa mitaraina.
Lasa ny saina amin'ireo tompon'andraikitra,
Izay olana misy toa tena miraikitra .
Izay tsy mahafantatr'olona eo foana no raisina,
Miandry mandefitra, mahita faisa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ho-an-janako | HO AN-JANAKO | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Mba fantatrao ve ry sombiniaiko
Ny hasarobidinao amiko
Hiaro anao no ato antsaiko
Eny! na amoizako ny aiko
Injay ny ranomasonao milatsaka
Mampangoraka ny foko
Ny feonao mitaraina fatratra
Mahonena ahy ianao mitoloko
Zanako a! tiako ianao
Hareko ianao; reharehako ianao
Tsy foiko mamiko in... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado_albert/ao-ny-fotoana-mande-ny-or | Ao ny fotoana
Mande ny or | rado_albert | Ao ny fotoana
Mande ny ora
Taty aoriana
Lasa tanora
Nikarotra hevitra
Manam-panirina
Nizaha fatratra
Hanana olon-tiana
Nande nitady
Sady navitrika tsara
Tena niady
Mba ahazo ny anjara
Izato hafiliako
Tsy omby tratra
Nahita ny tiako
Ataoko fitaratra
Nifankatia foana
Na nisy ny vava
Nande ny taona
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/toa-tsy-sahy-aho | TOA TSY SAHY AHO | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Toa tsy sahy aho, na ny hieritreritra akory
Ny hoe: hamboraka fitia aminao
Tsy aiko mantsy na mbola matory
Na tsy ho amiko ny fitiavanao
Tsy sahy aho kia satria nahoana?
Mpinamana loatra anie isika e!
Raha ny tiko manko dia hitohy eny foana
Ny fiarahantsika ho mandava-taona
Tsy sahy aho fandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/mba-saino-ihany | Mba saino ihany... | Lahatra Natiora | Mba saino ihany ...
Ianao izay sondriana amin'ny fiainan'ny tany
Ny eto tsy haharitra mandrakizay
Ny fiainam-panahy re mba saino ihany
Dia ny eo an-kavanan'ny tanan'ny Ray
Aza variana amin'ny zava-mandalo
Ny eto tsy ho ela dia ho rava sy ho lo
Fa masiaka loatra ilay fahavalo
Mamotraka anao, na saina na fo
Aza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maizina-max/aza-avela-odimaina | aza avela odimaina | maizina max | isika roa dia vonikazo
izy mndravaka zaridaina
ka izaho anio tonga eto
mba aza avela odimaina
fa ampitondrao fitihy
za ko ampitondra andry
ka bijou no oatolotro
atsiarovana toko
fa ra mandina ni molotro
de ilamina ny foko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/matoa-aho-mangatsiaka | MATOA AHO MANGATSIAKA | Fredy Jaofera | Matoa aho mangatsiaka
dia nahitana lesona
ny tany raha azo adika
ka tsy nampiesona.
Matoa aho mangatsiaka
dia nahory marina
ny tontolo be nandriaka
namenoana harina.
Matoa aho mangatsiaka
dia fay ny fosafosa
tsaroana ho nampihika
fony nisy miavosa.
Matoa aho mangatsiaka
dia tiany ny adiady,
sady izay moa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ho-ani-dada | HO AN'I DADA | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Isaorako ianao ry Dada
Fa nanaiky ny adidy izay napetraka
Nanao izany ankitsim-po
Nanao izany tsy andolo-po
Nitaiza ahy, sy nanabe
Nitrerona, nikapoka, sy nifehy
Nanoro ny lalana tokony hizorako
Nanosika ahy tamin’ny fianarako
Nisorona ho ahy raha sendra aho ka noana
Nanafy ahy tsy ho olon’olom-poa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/zovy | Zovy??? | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Zovy aho no hanantena
Masoandro mbola hiposaka
Amin'ity mamatonalina
Na hanantena fandresena
Tokinaina mbola hirotsaka
Anaty faharesena lalina
Zovy aho no hahavita hitraka
Hiandrandra ka hibanjina
Ireo kintana eny ambony
Zovy moa no hitarainako
Amin'ireny ady mafy
Izay manambana ny foko
Raha mbola ho ela n... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.