url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sambatra-ny-tany
SAMBATRA NY TANY
Fredy Jaofera
SAMBATRA Sambatra ny tany miaraka amin'ny Ray, lazalazaina izany ho hafatra anankiray. Sambatra isika raha matahotra Azy, ora manjopiaka no ho hita ka fohazy. Sambatra ny eto raha ao Aminy moa ka mbola raketo ho fiadanana tokoa. Sambatra ny asa misy Azy lalandava, ho to izay kinasa, hipoitra ny mazava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitamberina
MITAMBERINA
Fredy Jaofera
MITAMBERINA Mitamberina indray ny ela nohadinoina, mamoha sento izay toa sarotra vonoina. Mitamberina indray ny lasantsika maro mahory indraindray rehefa mahatsiaro. Mitamberina indray ny voady nahaliana hany afa-nampiray antsika tsy zoviana. Mitamberina indray ny nofinofy nonina ka toa nampivaivay fiti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-wencesias/nandalo
NANDALO
Ny Avo Wencesias
Nandalo ianao niserana nitondra tafatafa, Eny!niserana dia lasa... Fa ny tsikinao nipetraka ka fatratra dia fatratra Eny!tena lafatra ny dindo izay napetrany! Asa...hatraiza angaha ny fetrany? Ianao tsy mahalala fa ny resakao iny! Dia nampihena betsaka reo ady sy hirifiry Niempo tato anatiko... Matetika io tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tiana-andry0
FITIAVANA MITSIMOKA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ny anaranao milahatra amin’ny anarako, toy ny volana mampiray ny lanitra sy tany. Ny vatako tsy hafa, fa vatanao koa, na faly ianao, na ory, na koa tomany. Ny fanahiko miray amin’ny fanahinao, toy ny ony mitambatra ho ranomasina. Ny ho aviko tsy hafa, fa ny ho avinao koa, mandritra ny andro, omen’ny Ray Tsitoha....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hafa-ihany
HAFA IHANY
Fredy Jaofera
HAFA IHANY Hafa ihany ny teo anilanao ka injany ny kalo re, asao. Hafa ihany ilay fitia nitaona ka tsy lany, na tsy tafahaona. Hafa ihany ny dinika rehetra ka mankany, mbola te hitoetra. Hafa ihany ilay takivantsika, fary lava vany mamy raha adika.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/manina
Manina
TSY RENDRIKA Spica
Manina olon-tsy manina, Ny mba manina anefa efa manana. No sady koa tsy mahamanina, Haniko ihany ny hanina, Fa izy mihaminkamina, Sonenina sady milamina, Ny eny an-kafa no tazatazaniny, Dia ny fihetsem-po no toranina e, Ianarana ilay mody fanina. Ilay potika be koa ajanona, Dia aleoko miandry an’Ianona…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r-g-r/13-mey-1972
13 Mey 1972
R.-G.-R.
Loza iray, loza roa ! Ny maso ve no mandrororoha : Miparitaka ny ankizy, Mihorakoraka izay tsy izy, Natsipy anatin’ny vahoaka Ny baomba iray, dia nipaoka : Tao ny lasana nitsoaka, Tao ny nisy kibo loaka, Tao ny niantsoantso ery : Ry FRS bibidia ! Tsy nahoany anefa izany Indro fa natsipiny ihany Ny baomba ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/fanadihadiana-tononkalo-maman-tiako
Fanadihadiana tononkalo " Maman Tiako"
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Fandinihana ny tononkalo "Maman Tiako" nosoratan'i Ny Hafatra RANDRIANTIANA Ny tononkalo "Maman Tiako" dia asa soratra poetika mampihetsi-po sady mitondra hafatra lalina momba ny fitiavan-dreny sy ny hasarobidin’ny reny eo amin’ny fiainan’ny zanaka. Avy amin'ny fiteny tandrefana eto Madagasikara no anoratana azy, izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/mandram-pihaona
MANDRAM-PIHAONA
Elysé Azrael
Io sarinao io sisa no azoko orohana F'ianao lavitra any ka tsy azoko hatonina, Veloma sy masìna, ary aza manadino, Isika roa mbola hihaona : izaho manantena sady mino. Raha sendra ianao tomany mahatsiaro ny fahiny Dia tsarovy akia malala ity teniko ity: Na dia sarahin'ny elanelana aza isika ankehitriny, Dia efa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/havana-raha-misy-patsa
HAVANA RAHA MISY PATSA
AORN
Etsahin-dranomaso ty foko tomany Rarafan'ny eriky ny hakiviana fanahy torotoro toa raraka an-tany dia saina efa vaka toa lavitra tiana Ny ankaso manemitra mahazo laka Dia manatorovana ny aiko efa sina 'reo nenina an-kilany mandatsalatsa tsy misy andaharana k'aleo mangina Ny androko maizi-marain-tsy hariva toa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/herinandro-vaovao
HERINANDRO VAOVAO
Fredy Jaofera
HERINANDRO VAOVAO Herinandro vaovao no tonga eto izao, asio vavaka aloha mba hitondra soa. Herinandro vaovao no miseho aminao, amohazy hafaliana fa dia hahavariana. Herinandro vaovao no miroso, anjakao fa be ny andraikitra tsaroana miraikitra. Herinandro vaovao no misy, ampiasao ho tontosa daholo ny asa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fantatro-ry-neny
FANTATRO RY NENY
AORN
Neny, fantatro ihany aloha, na dia afeninao fa tsy mba moramora ny asa tokantrano Iafianao tsy an-kiteny 'reo raho-mitatao satria tsy satrinao ny hampitondra angano Fantatro ihany koa, reo olana sy ankaso mandreraka ny tena, manonjona ny vatana Odianao tsy jerena, fa ikipianao maso Satria tsy satrinao ny hanisy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/maman-tiako
Maman Tiako
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Maman Tiako Rango zaho mbola ely Tsaroako, fa nisy nanambitamby ndraiky nampangôty Tiô zaho tombo, hita, tsy very Tambanin'ny mason'olo jiaby Nisy nañonjoño zaho, nibaby sendra kajo Nisy nampangiñy koa sendra tomañy, namötro ranomasoko Ary nanangana sendra lavo Anao maman tiako, nahitako masoandra sady fanañako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/akanjo
AKANJO
Fredy Jaofera
AKANJO Akanjom-pahatsorana no eto hatrany itafiana, n'aiza n'aiza re izorana, hoy aho am-pitsikiana. Akanjom-pahendrena mampihaja lalandava mbola sarotra hosena raha ambara mazava. Akanjom-pilaminana tsy mba tia korontana fa maro fanambinana tsy mba hay ongotana. Akanjom-pahalemana manalavitra irony ady ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asaphs-mahane/asa
ASA
Asaph's Mahane
Ny asa no lova, soa tsy lany hasina, Andaniana ny fotoana, amin’ny fo sy saina. Fa ny fety koa indraindray, fitsaharana masina, Hanangonana hery hifohazana maraina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/nampandrenesina-ianao
Nampandrenesina ianao
heritreritro
Izao lahateny izao, Tsy hoe tahirin-dolom-po, Tsy valifaty, tsy antsojay, Fa hetahetam-piainan-tsoa, Avy amin'olona efa fay: Ny ratra mantsy zary olatra, Fifamelàna no koloina, Nefa_aoka ho lesona sy ohatra: Tsy misy ny fanadinoana. Misy fetrany ihany ny azonao leferina, Ny fosa sy heson-teny nodianao tsy re,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/varavarana-nihidy
VARAVARANA NIHIDY
Fredy Jaofera
VARAVARANA NIHIDY Varavarana nihidy no nivantanako tany, indrisy, ka tadidy ny fosafosa hatrany. Varavarana nihidy tsy nirina hovohaina vao natao safidy ny tsy ho tsara saina. Varavarana nihidy nampijaly ny fotoana nitondrana ngidy sy tena nahamoana. Varavarana nihidy tsy nahalalana vonjy, tsy mba tia ad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mitamberina-ao-an-tsaina-ny-fiandohanny-taona-60
MITAMBERINA AO AN-TSAINA NY FIANDOHAN’NY TAONA ENIMPOLO
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Mitamberina ao an-tsaina ny taona enimpolo, Nosy iray eo anivon'ny Ranomasina Indianina. Ny fiainana nahafinaritra, naha velombolo ; Tsy nisy olana ny fitadiavana ny sakafo nohanina. Ny renirano sy ny ony tsy nanam-paharitana ; ny tany voaasa, voavoly, ny tontolo maitso mavana. Ny mponina raha jerena, toa samy na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/loza
"LOZA"
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Aina mankadiry no laninao niasana, Lany nanonerana hetram-panjakana (...) Fa mamy noho ny mamy ilay hoe manoa lalàna... indrisy ry karama! tsy nisy fisondrotana fa maika aza nakàna. Dia io fa nikafiry ora folo mihoatra, Fa mamy noho ny mamy ilay voky ambony foitra, Tsy afaka mitroatra, Anaty ambony apanga no mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/enga-anie-ianao
ENGA ANIE IANAO !
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Enga anie ianao! Ho masoandro mamiratra, manazava tsy mitsahatra, izao tontolo izao, Enga anie ianao! Ho volana mibaliaka, mandefa tara-pahazavana, anaty alina mangina. Enga anie ianao! ho kintana fitarikandro, mamiratra miavaka, anivon-kintana an’alinkisa. Na ho toy ny vatako ihany, ialokalofan’ny foko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/soratsoratra
Soratsoratra
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Soratsoratra Na ireo soratra mikirisarisa anaty taratasy, Sy ireo mitandahatra eny an-tsolaitra any an-dakilasy, Dia soratra misy lanja, manam-piainana, Soratsoratra mitondra fisainana. Sy ireo Ntaolo, nifandimby nilaza Anganongano nahamasa-bary, Dia tahiry hitahiry sy hahatsiarovana ny tsiahy omaly. Ny soratso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/aza-manahy
Aza manahy
Randja
Aza manahy fa raha ilay fitia izay natolotro anao tsy resaka fotsiny ihany na koa teny tao an-tendro-molotro tao fa teny avy am-po, tsy novolena ambarako an-kariary ,tsy an-katerena Aza manahy fa raha ny toky izay nomeko anao fahiny raha toky fitaka mety hanenenako, mety hazoan-tsiny na koa teny fampatoriana ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hitako-loatra
TSY HITAKO LOATRA
Fredy Jaofera
TSY HITAKO LOATRA Tsy hitako loatra ny tsiron'ny tany rehefa tsy eo ianao ; tsy afa-mivoatra ny mamiko izany ka avia re, anjakao ! Tsy hitako loatra ny lanitra manga rehefa tsy mihaona ; tsy manamboatra ireo andro banga fa sento no mitaona. Tsy hitako loatra ny fitia nolazaina rehefa tsy mandalo ; manja...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/tsapatsapa
TSAPATSAPA
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Niditra hotely aho omaly hariva dia [...[ niandry anao ka niandry, tena tsy tafandry fa sasatra mierika manodikodin-doha, Ny seza nofidiako aza (...) sezan'olondroa. nivazovazo teo aho,nijery ora avy eo dia niato kely indray, Ny tongotro etsy andaniny miakatra tambonin'ny feako ankiray (...) sady ahetsiketsiko. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/fa-ny-ahy
FA NY AHY
Fidy Art Niaina
Tsy ny bika tsara tefy, na ny toetra jefijefy no andeha hahasarika ahy, fa ny toetra sy FANAHY!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy/irery-aho
irery aho
fy
Irery Aho Irery aho, tsy misy feo, Rivotra mangina no mankeo. Ny alina mitopy amin’ny lanitra, Mitomany am-pahanginana. Ny masoandro tsy mitsiky intsony, Ny lanitra feno rahona mivonto. Ny foko, torotoro mangina, Mitady fiononana, tsy hita ihany. Efa potika anaty nofinofy Eo anilan'ny aloka mangovitra. Ny no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/fatorana-telo
FATORANA TELO
DADAFARAtolotra
Nihofo ny volana maro, ka nanjary nivadika taona Ny tany niaraha-nanarina, jereo fa nahorina havoana Afaka hitazatazana ny ho avy izay mbola ho faritana Ary azo hitovozana trondro, ho solon'ny vovo sy fitana Misy fatorana telo, hambarako anao izy androany Horonana masina indrindra amin'ny zavaboarin'ny tany Hirik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/sakafompanahy
Sakafompanahy
Nosy Malala
Sakafompanahy, Enjikenji-dava izao tontolo izao, Ka aiza ny fotoana atokana ho anao , Reraka ny hariva, mamonjy "canapé", Mijery fesiboky, mamelona "telé". Mandeha eo ny lera, midaboka matory, Ny fanahy angaha, nahazo sakafo akory ! Dia tampotampoka eo, indro efa maraina, Atrehana ny asa, miarak’ amin’ ny adin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/boto-fa-resim-pitia
BOTO FA RESIM-PITIA
Nic Coper Ofisialy
Boto fa resim-pitia, ilay bandy niseho azy ho degany, Niseo mafy fo isanandro, izay nandalo rehetra imehezany. Kanjo sendra ny nahay azy, fa vao ka tsy naharay lamba, Nipapapa nitady ny marina, Vao hoe : "tia" tokoa izany angamba. Boto fa resim-pitia, ilay hatrizay, toa nandravarava, Voan’i kala tao ambavafo, ka a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy/fitiavako-ho-anao-toy-ny-rose
Fitiavako ho anao, toy ny Rose
fy
Fitiavako ho anao, toy ny rose Rose iray no entiko, ho porofon'ny foko, Mametrapetra-pitiavana, tsy hain’ny teny rehetra loko. Manja sy marevaka, toa anao rehefa mitsiky, Ny foko manofinofy, manantena hoe hisy diky. Ny tsilony mety hanindrona, toy ny tahon’ny fanantenana, Fa ny hafatra tiany hotononina, dia hoe: ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anaty-fanginana
ANATY FANGINANA
Fredy Jaofera
ANATY FANGINANA Ny alahelo anaty fanginana, misy avelo tsy te hiankinana. Ratram-po anaty fanginana, vao manjo dia hamaizinana. Ny tomany anaty fanginana, maro ihany no fahamarinana. Ny vavaka anaty fanginana, mandravaka ny fahamalinana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-lalam-pianarana
NY LALAM-PIANARANA
Fredy Jaofera
NY LALAM-PIANARANA Ny lalam-pianarana dia lalam-piezahana mamoha varavarana ny tena fahafahana. Ny lalam-pianarana, lalam-pisandratana mivoy fandaharana tsara sy mitantana. Ny lalam-pianarana, mitaona fahendrena misy hasambarana mamony sy harena. Ny lalam-pianarana, mamelom-pitoniana hahalala fitsaharana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/co-ia-iavotriniaina/zanaki-dadanay
Zanak'i Dadanay
Co-ia Iavotriniaina
I Dada mikiry tsy mba mitaraina, Mody ny hariva dia lasa maraina. Ny tampon-tanety no ataony latasy, Iny Dada iny mantsy tsy mahay taratasy,... Fa (.....) Dada mitsinjo ny hoavin'ny zanany. Na miempaka, rotika hatramin'ny tànany, Dia tsy mitaraina amin'ny fiainana lafo, Fa aleony miafy sy tsy misakafo,... Raha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandehana
MANDEHANA
Fredy Jaofera
MANDEHANA Mandehana am-pinoana amin'izay kasaina dia hazavana no hirosoana fa tsy hangaina ! Mandehana am-pitiavana amin'izay andraikitra dia higagana fa handoavana harena be miraikitra. Mandehana am-pifaliana amin'izay tarigetra dia hofafana am-pitoniana ireo alahelo nitoetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ho-anilay-nofinidiko
IANAO ILAY NOFINIDIKO
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ianao ilay olon-tokana tonga nanatona ahy, toy ny voro-manidina namonjy ny akaniny, ilay nandray ahy, ho ilay voatokana ho anao, raha mitoetra mandrakariva ao am-ponao aho, dia ho fanoitra lehibe hiatrehako ny fiainana. Ianao ilay kintana, masoandro amam-bolanako, ilay rako, Ilay nofinidiko tao anatin'ny maro. R...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy/atsimo-sy-avaratra
Atsimo sy Avaratra
fy
Atsimo sy Avaratra Isan’andro vao maraina, Ny tsikinao no fahitana voalohany, Manazava toy ny masoandro mibaliaka, Saingy ny ao anatiny… mifanipaka. Ny masonao mitsirika, Fa ny fonao toa manafina hatsiaka, Mifampitazana anaty takona, Toy ny atsimo sy avaratra tsy hifandona. Tsy hainao ny milaza, Fa ny fihetsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/sokafy-ny-fo
SOKAFY NY FO
RASOA
Andao sokafana ny fo @ olona tsy fantatra Fa tsy hoe hihidy loha Ka hitompo teny fatratra Aoka tsy hihevi- tena irery Hoe mitana ny marina Andao hiezaka hijery Ny an' ny hafa koa takarina Ny hevitrin' ny maro Mahataka-davitra Ka avelao hifangaro Handresentsika izay sarotra Ario ny eritreritra Hoe tsy mito...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ahoana-no-fafana
AHOANA NO FAFANA ?
Fredy Jaofera
AHOANA NO FAFANA ? Ahoana no fafana ny nisy tany aloha na, sanatria, rarana tsy hipoitra avokoa ? Ahoana no fafana ny tantara marina tsy hay eto ialana isaky ny miarina ? Ahoana no fafana ny fitiavantsika roa raha te hidanadana ny hetaheta mifoha ? Ahoana no fafana ireo mamy sarobidy mivoy fanantenana m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/lisi-pitiavana
Lisi-pitiavana
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Lisi-pitiavana Eo amin’ny sehatry ny fitiavana Dia misy ny koto sy Kiala Misy koa ny ambony sy ambany Misy ihany koa ny vody sy vava Ary koa fifaliana sy tomany Tsy ny molotra rehetra no fanoroka Tsy ny làlana rehetra no azo andehanana Tsy ny lavaka rehetra no azo hitsofohana Tsy isak'izay fy ihany koa no toko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/lay-tsikinao
'LAY TSIKINAO
AZRAEL
'Lay tsikinao mitsena ahy rehefa isika tafahaona, Dia mambabo fo, fanahy, ka satriko ho hitako foana, Ilay tsikinao tsy maintsy raha mitonona ny anarako, Tsiky feno mystery, mahampoka ny hasambarako... Dia nanjary fahazarako ny miandriandry amoron-dalana, Sao mantsy ianao handalo, hanopy tsiky ho ahy mahalana, Ar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zavatra-marina
ZAVATRA MARINA
Fredy Jaofera
ZAVATRA MARINA Ny zavatra marina iray dia ny fitiavako anao ka tsarovy lalandava matoa ange mivaivay Izany ao anatiko ao sy miramiran-tava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sombinentona-mafaitra-na-hasina/ho-azy
Ho azy
Sombin'entona mafaitra na Hasina
Hanoratra aho androany, handrakitra tantara Tantara tsy ho faty na sanatria ho levona Hanoratra, hanaiky koa ny anjara Dia ho hendry, ny lasa hakana lesona Raha mitopy amin’ity soratra ny masonao ry tiako Dia tsarovy fa an-dalam-pamafana ny embona rehatra aho a ! An-dalam-panadinoana ny toky izay nitokiako Teo a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy/saranga-tsy-mitovy
Saranga tsy Mitovy
fy
Saranga Tsy Mitovy Eny an-dalana, mifanena isan’andro, Fa tsy mitovy lay tsiky sy fandroso. Ny iray manan-karena, fiara manjelanjelatra, Ny iray mitondra entana, amin-tongotra mafy sy mahatantatra. Mifampijery vetivety, tsy miteny, Fa ny masony manambara fitsaratsaram-poana eny. Ny akanjo sy toerana no misaratsa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra%C3%AF-tsitoh-mikalo/mbola-tompony-ve-aho
Mbola tompony ve aho
Raï Tsitoh Mi'kalo
Azafady kely anie mba saika hanontany fanontaniana fa aza atao ampitomany. Sa navela tsy hay sy ho faty Mbola afaka miantso malala ve aho? Fa raha toa ka TSIA dia lazao Ataovo ofisialy sy ara-tantara Fa hoe eto ilay boky no tena miafara Mbola tompony ve aho sa efa mpindrana Fa izaho ato miandry anao efa sahiran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/fitahina
FITAHINA
RASOA
Raha ny lasa no hitodiana Ka ny lalàna refesina Dia mahatsiaro fitahiana Izay no tsapako, azo raisina Nanomboka t@ labozia Ary ny laoka tsy misy hena Ankehitriny feno ny lovia Ny hazavana manjambena Ny kilalao biriky Tsy misy akory ny kodiarana Ankehitriny ny ankizy Mba mitovitovy @ ireo namany Efitrano kel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako0/misy-fotoana
Misy fotoana
Ny Ako
Misy fotoana aho manembona foana Ireo lasantsika tsy haiko adinoina Dia misy fotoana aho lasa misaona Ny anaranao no ventsoventsoina Misy fotoana aho maniry mafy Hihaona aminao ilay tiako fahiny Dia misy fotoana aho te hian-tsampy Kanefa izy iny efa tojo ny tiany Misy fotoana aho latsa-tomany Toa te hiverina i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/tsy-hariako-ny-olon-tiako
TSY HARIAKO NY OLON-TIAKO
AZRAEL
Na dia mila tsy ho zaka Ny esoeso sy ny latsa Ataon'ireo fianakaviako Tsy hariako ny olon-tiako Na dia hamoizako ny tany Ny harena sy ny lova Tsy olana f'aleo ho any Fa ny fitiavako tsy hiova Na hanenjika ahy koa Hatramin'ny tafi-panjakana Tsy hampiova ny ao am-po Zay sakana sakana sy fandrarana Na dia hoat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/fahasambarana
FAHASAMBARANA
RASOA
Tanimboly Kely Tsy dia manao ahoana Ny vokatra azo aminy Mahavita taona No hivoahana hasaina Isaky ny maraina Mampazoto miasa Satria tsy hofaina Zaratany koa Afaka nanorenana Eny an dohasaha Tena tsara toerana Azon.ny masoandro Tena feno hafanana Mampavitrika ahy Mahatsiaro aho fa salama Vonga-kena Kely...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/fahazarana
FAHAZARANA
RASOA
Tsy misy fahazarana T@ nanambadiako Nanantena fahasambarana Ianao no olon- tiako Taona vitsy aty aoriana Mivadika ho fahazarana Lasa fery, fahoriana Olatra tsy hay triarina Dia toy ny fahazarana Ianao milaza tia Nefa tsy azoko amaharana Raha solafaka ny dia Toy ny fahazarana Ny firaisana matory Lamba no h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/hetaheta
HETAHETA
RASOA
Andao isika hifidy Hitady lalan- kafa Idina @ fanalahidy Ny zavatra tsy zaka Tsy ho fefikin' ny fahazarana Fa ho zotra vaovao No andeha hifanarahana Ka ho atomboka izao Tsy hoe hiova toetra " Ianao" io no tiako Fa hiova tarigetra Mba jereo ny "fisiako" Tsy mora ny miala @ efa mahazatra Nefa andao tsy hisa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tohizo-ny-mitia
TOHIZO NY MITIA
RASOA
Raha sanatria izaho No hialoha lalanà Tena iriko ianao Mbola misy handray ny tananà Tena tia tena aho Raha lasana mialoha Ka hametra ny fonao Tsy hisokatra hivoha Ny mijanona irery Hataovy mihitsy fady Ny ankizy mijerijery F efa mañana ny azy Aza mitokatoka -monina Mikolokolo fahoriana Fa mahaiza mihonona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/fialantsasatra
FIALANTSASATRA
RASOA
Miloko volamena ny torapasika Tontolo manodidina toa sariaka Mamaivay ny tongotra tsy akasika Doran'ny masoandro izay mibaliaka Ny ranomasina etsy anila Manasa ny vatana mba hiroboka Izay efa reraka ka mba mila Fiovan-drivotra tsy ho drodroka Ny onja midoboka dia mandrotsy Mozika malefaka mampatory Mifafy, mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/hivondrona
HIVONDRONA
RASOA
Andeha isika hivondrona Ka na ny rariny aza fisaka Tsy hijanona ho dondrona Tsy hanaiky ny hakisaka Hampiasaina ny gazety Ka hampangaina @ soratra Izay zavatra tsy mety Aoka izay ny hoe miforitra Ary ny fahitalavitra Sy izay haino aman- jery Hilazana koa fa tsy avotra Ny hevitra an-kiteritery Apetaka @ rind...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mias%C3%A0
MIASÀ
RASOA
Tsy mitovy rehefa teraka Nefa samy nomena saina Fa izay mivalaketraka Dia hijanona hitaraina Satria miainga @ tsy misy Ny nofinofy izay tiana Raha miasa tsy mitsitsy Dia ho tojo izay hilaina Ny asa fitadiavana Tena mila fahazotoana Sanatria tsy ambany ny havana Fa ny asa koa tompoina Ka na vatana aza ketrak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/teny-moramora
TENY MORAMORA
RASOA
Ny hatao hoe moramora Tsy voatery goragora Fa entina milamina Toy ny marary sitranina Teny tsy mivatravatra Hanafery sy handratra Tsy hatao angolangola Ho adino rehefa tola Fa teny am- pahendrena Asiana Kely fahalemena Tsotra tsy misy fitaka Samy tena mankasitraka Tsy teniteny mila ady Tsy ho telina, tsy h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/diso-fiantefa-2
DISO FIANTEFA
Fredy Jaofera
DISO FIANTEFA Diso fiantefa ny saiko mahatsiaro ka ory rehefa voadona andro maro. Diso fiantefa itony foko teny ho eny raha mandefa ny alaheĺoko ombieny. Diso fiantefa ny toky izay napetraka ka nirefarefa ny tontolo vao ketraka. Diso fiantefa ny fitia nitady hafaliana fa izaho anefa mieritreritra azy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/koboniko
KOBONIKO
RASOA
Misy zavatra tsy lazaina Ao anaty maka faka Tsy mba tiako ho tantaraina Na dia hita fa tsy ho zaka Notandremako tsy hiely Ny saina koa noferana Hitazona izany irery Tsy hamoaka ho hanenenana Izay no tsiambarateloko Tsiambararoa mihitsy Lasa nivadika alaheloko Lasa aretina mikiky Hilaozan- teny aho indraind...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mamangy-havana
MAMANGY HAVANA
RASOA
Tiana ho tazonina Mbola hiara monina Nefa efa voazara Ny tokantrano tsara Mbola Irina hitohy Na dia hita hoe fohy Ny sangy sy sakafo Sy resaka tsy miato Satry tsy hifarana Tsy hanam- pitsaharana Ny todika ny lasa Ireo sary sy ny tafa Tsy mahalavi-tany Fa tonga manontany Vaovao sy maresaka Salama ianareo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fanja-sy-mozika
FANJA SY MOZIKA
AORN
Tononkalo nantsaina ho an'i Fanja Andriamanantena, izay isan'ny andrarezina amin'ny mozika Dimbiasanao ny hira ireny tononkalo toa vita tsy natao ka nentinao nitety izato lafivalo nahatonga aina vao Fa kanto koa raha kanto lay lantom-peo miangola arahanao mozika Ny tonony mambabo Lay rotsy mampidola Feo man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/sambatra
Sambatra
Bob Ramanamiravaka
SAMBATRA Ny miaraka amin'ny Tompo dia mahasambatra fanahy Sambatra ny olona raha manana olon-tiana Ka raha sendra olana dia izy indrindra no miahy Satria ny akany dia nataoko ho fandeferana sy fihafiana Ny Tompo irery ihany no tokony sy afaka hitahiry Izay afaka manome ny fahombiazan'ny fiainana Raha sendra ka m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-manahirana
REHEFA MANAHIRANA
Fredy Jaofera
REHEFA MANAHIRANA Rehefa manahirana ny zavatra atrehina dia sarotra Ifikirana izy iny re ho tehina. Rehefa manahirana ny fiainako rehetra, tsy mba azo idirana izy iny ka mitsetra. Rehefa manahirana ny fitia efa ela nitory, mitaona fifandirana tsy ilaina eto akory. Rehefa manahirana ny olana mibahana, tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny_vetso/ny-fotoana
NY FOTOANA
Ny_Vetso
NY FOTOANA! Rehefa tena zohina, fakafakaina, hadihadiana, ange, ny fizotran’ny fotoana dia…toa tsy misy izany akory e! Nahoana angaha hoy ianao? Isika, hay, no mampihetsika sy mampihodina azy io! Hifandrindra sy hifanaraka ka hampiasa ilay paika mba tsy ho very, tsy hiraraka. Raha ianao no resy lahatra fa miaina n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/nofiko-faharoa
Nofiko faharoa
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Nofiko faharoa Tao anaty habakabaky ny nofy indrindra No nahitako ireny Andriamanitra kely sakambinin'ireo anjely Namonjy iny lalan-danitra Nakipiko ny maso, notsongoina ny hoditro ndrao mbola manonofy aho ao anaty nofy. Natsangako ny tànako, nampiakarina kely ilay masoandro Nitodika ilay anjelin'ny teny Niantso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/nitety-vazan-tany
NITETY VAZAN-TANY
Lantorose
Nivenjivenjy teny ny tena samirery Nitety vazan-tany, nitady izay mahasoa Fa leo ny fahantrana sy ny fiaina-manirery Ka ny fitadiavam-bola no nibahana ao an-doha Teny no nandia izay mbola tsy nodiavina Teny no nisedra izay tsy niainana hatrizay Izay asa hita koa tsy azoko nolavina Fa sitrany hahasambatra ny tena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/vovoka
Vovoka
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Vovoka Vovoka ihany aho ka ho vovoka No hifindrako makany any amin'ny tonta Rehefa drodrahin'ny ady sy sovoka Mandemy ny tena sy manontanonta Vovo-madinika mora bataina Sy zakan'ny rivotra malemy fitsoka Tsy ren'ny nofo sy tsy azo tsapaina Fa manelina ihany rehefa manditsoka Vovoka nisy sy tsy manan-tsafidy M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/ny-tontolo-iriko
NY TONTOLO IRIKO
Lantorose
Satriko ho ianao ry ala mikirindro No ho zary namako handrotsy ny tontolo Hanavao indray ity saina bobongolo Ny fanatontoloana feno lesoka sy indro Satriko ho ianao ry vorona sy riana No ho kalo fanalako sorisorin-tsaina Hampitsiky indray ny androko ho maraina Sy handrafitra amin’ny tavako ilay endri-pifaliana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/eny-an-dranomasina-eny
Eny an-dranomasina eny
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Eny andranomasina Eny andranomasina eny, kanto ery ny alina. Tarafin'ny kintana sy volam-penomanana. Tsy mila elo izany, fa ny lanitra no tafo, Ny rivotra no tanana, natao hanafosafo! Eny andranomasina eny misy feo manako, Manaitra ny fanahy hiantso hoe lamako. Ny sangin'ny onja izay tsy mba azo ialàna. No mama...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/afohezo
Afohezo
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Afohezo Fantaro fa rampitso hisy ora ahalatsa-panenenana; Rehefa nitsahatra nitia ilay nandany fisasarana. Hisy ranomaso ahatonga fiferotana, Sy handrotika fitia ary hampisy fisarahana. Raha ny androany feno tsiky, efa voarakotra... Hazavana sy hatsarana izay efa tonga lafatra. Fa rahampitso ihany ireny rehefa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/sento-takariva
Sento takariva
Fidy Art Niaina
Rehefa irery iny aho Toa zary manonofy ny ho eny am-paravodilanitra Fa hatreto aloha tsy todiko Dia eto aho miandrandra taratra hazavana Ato anaty efitranoko... banga tanamasoandro Inay aho anilanao; inay ianao miaraka amiko Izaho, ilay nitazana foana eto ambaravarankely Ka mahita anao dorehitra amin'ny andro ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/iny-lakana-iny
Iny lakana iny
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Iny lakan'iny nitondra ahy sivy volana Nandrotsirotsy mora teny an-drano nofy teny Nisarika ny nofoko ho tonga hisy taolana Namolaka ny lela sy ny vava hahay hiteny Dia ilay lakana masiaka fa niezaka niaro Tamin'ny rano sy ny onja izay mihetsika matetika Tsy namela ahy potiky ny ditraditra maro Fa nihazona ahy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny_vetso/meteza-ho-fanasina
METEZA HO FANASINA
Ny_Vetso
METEZA HO FANASINA! Ho fanasina hanamasina ny tontolo manodidina ny fisiantsika sy ianao. Ho mamy sira sy hampatsiro, Hampandroso ny Nosintsika ary hitondra loko vaovao. Fanasina hanova tsiro, hanome tsiro ny fiainana; Hanazava sy hitsilo, Ka hiara-mientana isika, hisorohana tanteraka ireo karazam-pahalainana. T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny_vetso/iny-zanako-iny
INY ZANAKO INY
Ny_Vetso
INY ZANAKO INY Ry Raiko Masina any ambony o! Fotoana mety indrindra ny anio hibitsihiko aminao Izay mba sentosentom-poko sy izay rehetra anatiko ao. Ny angatahiko aminao Dia ny hijerenao manokana an'iny zanako iny. Any izy, lasana any, manomana ny hoaviny. Aza avela ho kivy, aza avela ho lany, Izay herim-po ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/hisy-andro-hiovako
Hisy Andro Hiovako
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Any hisy andro hiovako volon-tany. Hivadihan'ity tafa izay manakaiky fiafaràna, Hibanjina ahy ny maro, hibanjina hitomany, Hanakan-dalana amin'ny tsy azoko ialàna, Dia i dada sy i neny hisento vilaory Sy ny zandriko rehetra ho velom-pitarainana. Samy hiantsoantso fa tsy ahoako akory, Fa voleko ratra mafy ho feno...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/hangina-ve-ise
"HANGINA VE ISE"
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Hangina ve ise ; raha misy vava basy mandrahona hipoaka? raha mba hiangaviana hitondra feom-bahoaka? Fa teto,nisy antso nitraina sasak'alina, Nisy teto ratra nandoatra alahelo sy ranomaso lalina, Raha gina mantsy ise, Dia mba hindramo vato aho hilaza ny hetahetako, Hitaomy vatolampy aho hisolo ny poetako sy ireo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/iny-ianao-ry-alina
Iny ianao ry Alina
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Iny ianao ry alina nandaniako ranomaso, Nanavesatra fanahy sy nisarika toloko. Toa tsy nitseranao akory na nasinao henamaso, Fa navelanao harary sy alahelo teo ny foko... Ry alina mangina nampitady fitsaharana. Ady mafy no niadiko tao anaty fendrofendro. Solafakao anie aho nanantena hasambarana; Ka tsy te hierik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-tomanin-tsakaiza
Ny tomanin-tsakaiza
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny tomanin-tsakaiza tsy mba alahelo, Fa tomanim-pitiavana alefan'ny hanina. Sarihan'ny tsiahy izay mamelovelo, Tonga eo amin'ny maso fa sarotra afenina. Ny tomanin-tsakaiza tsy vesatra anaty. Fa porofom-pitiavana tsy misy nenina. Voaentan'ny tsara izay tsy mety maty, Aseho amin'ny maso fa tsy misy pentina. Ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/feno-fitia
Feno fitia
Randja
Tamin'ny androm-pifaliana, tamin'ny androm-pahasambarana niainana, nitositosina teo anilan-dry fotoana mamy indrindra tsy tiako hisy fitsaharana satria teo aho no nahatsapa fa hoe tia, teo aho no feno fitia Ankehitriny, amin'izao fotoana izao mahatsiaro anao aho, mitady anao aho satria mbola tsy mahasaraka anao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/mifona
MIFONA
Hajanirina Mahavaly
Ray ô! inty ny zanakao Mifona re, mivalo mitalaho Izaho ilay zanakao nania Mba raiso re ry be fitia Be ny fahotana sy adalana vitako Hibebaka aho fa ampy izay ny ditrako Ny andro iainako sisa rehetra Hanompoako Anao tsy misy fetra Anio aho manolo-tena ho anao Vonona hiasa ho fanirakirakao Ny herinao ry Tompo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zakako
ZAKAKO
Fredy Jaofera
ZAKAKO Zakako irery ny zava-bita, na feno fery eto no mita. Zakako ihany rehefa tianao, misy tomany tsy te handao. Zakako foana ao anaty anio, na dia ahoana fa tsy siosio. Zakako mora, na tsy takatra izany isan'ora no hafatra !...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/embonembona
EMBONEMBONA
Fredy Jaofera
EMBONEMBONA Vavaka no indro mankany, Orana no milatsaka ihany, Ambony re ny sento tonga, Haisoratra fa tsy somonga, Ilaina hamihina marina Rehefa fitia no takarina. Ahoana irony andro taloha Niondanana ve fa tsy roa ? Aoka aho halahelo lalina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/tazia
Tazia
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Tazia Tazia, Ilay tsy tazany Fa notazomiko tao anaty mangina, Nangina dia nangina tokoa ny foko, Tsy nitsahatra niaina azy. Tazia, Sarim-pahazazana tsy nisy tohiny, Endrik’ilay tsy mety lefy tao anaty, Na voasarika tamin’ny ora sy taona aza ny omaly. Tazia, Tsy anarako izy fa nataoko anaram-pitiavana, Tsy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/nofy-nampirongatra
NOFY NAMPIRONGATRA
AORN
Satriko ho fantarina ny mombamomba anao Fa ty fo adalako tsy laitra nampanginina toa nangitakitaka vao nolalovanao Ka ny tanako avy no tsy tana te hamihina Satriko ho tadiavina zay toera-misy anao Fa tsy tafa-toetra izato saiko te hamantatra Ka na lavitra aza ny elanelana mankao diaviko eny foana fa tsy ataoko m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/aingao-ny-maripana
AINGAO NY MARIPANA
AORN
Aingao ny maripana fa izany no ilaina Hanavotra 'ty Nosy izay mamintsika ity Sahia ka mijoroa na dia haningotr’aina Tsy misy iray mitsoaka fa aoka hiara-dia Nahoana moa ny olona no esorina amy taniny Kanefa tanindrazana iveloman’ny taranany ? Sa efa tsara pasoka ny daomy maty masony ka vola no mibaiko, 'zay gasy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malalako-iny-2
MALALAKO
Fredy Jaofera
MALALAKO Malalako iny, lazao azy izany hifoha ny fahiny sy ho tonga any. Malalako iny ka araho maso sao ankehitriny tojo ranomaso. Malalako iny ka misento lava, mamiko ny tiany, aoka eto hazava. Malalako iny ka tsy foy ange, raha ny fifaliany dia fifaliako re !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manda/mba-mailo
MBA MAILO
MANDA
Ny rova no miterona antampon-kavoana, Paik'ady handavoana ny mpanani-bohitra. Raha toa sendra fahavalo manoloana, Moa hanaiky lembenana fa tsy mba hanohitra? Fitiavana ny tsy hananan-dratsy, Mahatonga ny olona be fananarana. Tiany hahitsy mba ho tsara vatsy. Ny lala-mideza feno fiakarana. Mba mailo ihany fa az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misamboaravoara
MISAMBOARAVOARA
Fredy Jaofera
MISAMBOARAVOARA Misamboaravoara ny alaheloko izany ka tsy hita voarara itony rotsa-tomany. Misamboaravoara ny androko etoana ka tsy mahita tsara ny tena hirosoana. Misamboaravoara ny fiainako marina ka mitondra anjara toa saro-pantarina. Misamboaravoara ny fitiavako anao ka nanjary niafara ho kalo tao h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mankany
MANKANY
Fredy Jaofera
MANKANY Mangina fa mankany ny tsiarom-pitiavana taona maro nofafany tao anaty fandavana. Mangina fa mankany ny nofinofy lalandava teny ho eny norarany ka manamalo-tava. Mangina fa mankany ny alahelo manadala ka tsy misy fiafarany ny andro mamanala. Mangina fa mankany ireny lasantsika ireny mamelona eto i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hampandry-tany
HAMPANDRY TANY
AORN
Miaramila voatery hampandry tany any Ampanihy, ka manafatra an-janany... Anaka, Voaraiko aninkeo, ity fiantsoana ity Milaza fa tsy maintsy hanainga izao dia izao Fa tena tsy milamina ny faritry Ampanihy Ka andeha hampandry tany izato dadanao Voalaza anatiny ato, fa nisy fanafihana Malaso maromaro, mandroba ny ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/hiraiko-mangina
Hiraiko mangina
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Hiraiko mangina Tsy ho tsiniko angamba Raha ny feon-kira ato anaty eritreritro no hidoladolana eny an-tsena Ny mason-janak'olombelona efa hafa Ka tsy mahafantatra ny mamy sy ngidin'ny tena. Hiraiko mangina ato anaty tokoa Ilay fitiavana tsy fantatrao fisiana Tononiko, kaloiko, soritsoritako anaty an-dalan-tononk...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/alahelo0
Alahelo...
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ny fo mivaky, feno ranomaso, Tsy hita ny làlana, ho avy ve ny fanafahana? Mijaly amin'ny aloka, tsy misy hazavana, Fahoriana mipetraka, mavesatra sy tsy manam-petra. Ny fitiavana, lasa maizina, Mitady toerana, fa tsy mahita fiarovana. Fijaly tsy misy fiafarana, Miandry fialofana, saingy tsy misy tanjona. Ny tsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/sambatra
SAMBATRA
Nic Coper Ofisialy
Ekeko, fa sambatra aho ety an-tany, Raha nahazo anao, ho silakin’ny aiko Tsy sangisangy, na koa haniany, Fa ianao no hany, iankinan’ny saiko Sambatra aho, eny ka sambatra ery Fa fo roa ho iray, no nifankatia Tsy sarotra akory, fa mora tokoa, Satria izay anao, dia efa ahy ihany koa Ny fitia taminao, no nahasamb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sarotra
SAROTRA
Fredy Jaofera
SAROTRA Sarotra ny miaina lavitra anao rehefa mba ilaina ka hazavao. Sarotra ny miasa tsy re mikalo rehefa tsy mikasa ny handalo. Sarotra ny miaro ny tsy ho ory rehefa itony tsiaro, any ka fotory. Sarotra ny mitana ny tsy hanahy rehefa tsy tamana eto foana, lahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/any-izy-any
ANY IZY ANY
Fredy Jaofera
ANY IZY ANY Any izy any fa tsy lany ainga aho ka lazao ! Any izy any, misy ihany ny tsiaro ka hafaro. Any izy any, eto hatrany ilay fitia, matokia. Any izy any fa ito tany, mitady azy fa tsy sazy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ora-sy-minitra
Ora sy minitra
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Nisy ora sy minitra nandrisika ahy hisitaka. Izay nampikoro mafy ireo efa lali-paka. Mantsy aho nifidy ny hiala sy hivadika, Hanomboka izy izany hisaina ahy ho mpamitaka. Fa izay minitra izay dia minitra nanadala. Nampitranga ady maro sy nandrotsaka tomany. Nitondra hirifiry izay nanosika ahy hiala, Satria maro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isanandro-aho
ISAN'ANDRO AHO...
Fredy Jaofera
ISAN'ANDRO AHO.... Isan'andro aho dia mba malahelo ka teneniko anao ho tsiambaratelo. Isan'andro aho dia manina foana ka izany tsy tsaho sy tsy misavoana. Isan'andro aho dia maniry ho any fa mifamahofaho ny lasa sy tomany. Isan'andro aho dia mila ao am-po ny fitia tsotr'izao hiala itony manjo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/manja-ny-gasy
MANJA NY GASY
Nic Coper Ofisialy
Tena manja ny gasy, ary manja tokoa, Tsy vao Ankehitriny, fa efa atramin’ny taloha. Niangarana mihintsy, raha samy Olombelona, Ary maro ireo hafa, no vavlombelona. Dia Manaiky tokoa , raha mbola vahiny, Fa manja ny gasy, ary tsy hita izay tsiny. Mahay miainjaika, ary mahay mihaingo, Maha lasa vinany, mam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aleo-hiraraka
ALEO HIRARAKA
Fredy Jaofera
ALEO HIRARAKA Aleo hiraraka ny ranomasoko anio fa mbola manaraka ny lasa fa tsy siosio. Aleo hitosaka ny sento izay tsy tana fa tsaroana miposaka ilay ratra mafampana. Aleo hilatsaka ny sedra tany ho any fa mbola mikatsaka alahelo maro ihany. Aleo hiverina ny kalo mampahory fa tsy mba naterina ny tiana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/taziako-fahiny
Taziako fahiny
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Taziako fahiny Tsy mba tsikaritrao akory Anton'ireny fihetsiko rehetra ireny fony mbola iray kilasy isika Teny aho natoky dia natoky Nisangy, nankafy, resin'ny lalana nolalovana, tsy nangasiasy Injao, boky no hosoratana Boky toeran'ireo tantara tsy maty ato am-poko Boky misy anarana, Lohatenin-tononkalo mahafa-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/akorisako
AKORISAKO
Fredy Jaofera
AKORISAKO A Akorisako irony lasantsika L Lakana tsy nentin'ny riaka A Amin'izany, mbola mahory H Hatreto, tsy mitondra tory ; E Ekeko raha izao no anjara L Lamina avela ho tantara O Omena embona foana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/mitaraina
Mitaraina
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Mitaraina ny fo, mangina ao am-pony, Feno alahelo, mitomany tsy am-pahony. Ny fo mitady, fitiavana no andraso, Maniry fiarovana, fa tsy hita izany ho azo. Ny fo mikaroka, mitady hazavana, Fa ny lalana aloka, manafina marina. Ny tsiky fotsiny, maneno ho mangidy, Manantena fiarovana, fa madio ny fanahy, mididy. M...