url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vitako-ny-nanadino
VITAKO NY NANADINO
Fredy Jaofera
VITAKO NY NANADINO Vitako ny nanadino rehefa ela ny ela, na dia tsy mampino ny sento tavela. Vitako ny nanadino rehefa tsy fidiny, ny lasa, ampangino, na misy vidiny. Vitako ny nanadino rehefa noterena, ny ampitso, banjino tsy ho tangena. Vitako ny nanadino rehefa niainana, ny safidy, alamino tsy hitara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voizina
VOIZINA
Fredy Jaofera
VOIZINA Ny fitiavana dia poizina sy fanafody tsy mihavana fa voizina rehefa mody.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/betsimihilana
BETSIMIHILANA
Fredy Jaofera
BETSIMIHILANA B Betsaka ny ainga matetika E Ezahina ny mbola hitetika T Tantaran'ny fahatsiarovana S Sahaza etoana ka arovana, I Ilaina hamohazana indray M Malady ny fotoana nahay I Im-polo nitondra hafaliana, H ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoky-habib/hafatry-ny-matiko
HAFATRY NY MATIKO…
Zoky Habib
HAFATRY NY MATIKO… 1.Fandalovana ny tany, ny rehetra no manaiky. Fa ny amin’ny antony handalovana no maro ny taraiky. Tsy misy tanjony avokoa va izay zava-nohariana? Ka nahoana izay toriana no ataonao mahavariana? 2.Hoe raha nasaina tonga eto isika tsy hiala voly. Izany indrindra anefa no tena voizin’ny devoly. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ho-aniza-hoy-ianao-ny-tsiny
HO AN'IZA HOY IANAO NY TSINY?
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
 Ho an’iza hoy ianao ny tsiny ?  Raha hary ianao ry tiko  Tonga soa nivahiny  Ianao dia tanjona niriko  Ho an’iza hoy ianao ny tsiny ?  Raha izaho no Rainao  Nahatonga anao teto an-tany  Ilay namorona ny anaranao  Ho an’iza hoy ianao ny tsiny ?  Raha tsy ho feno ny fahasambaranao  Mety ho an-tsasan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/hiezaka
EKEKO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
EKEKO Ireo fotoana vitsy monja, Nifanolorana fitia sy niaraha-tsika niaina; No enga anie ka mba hitondra Tsiro tena mamy indrindra. Nefa kosa anio maraina Ekeko ireny ho sahaza, Ampy ahafahako milaza: Fa ny fo nangetaheta nahatsapa ho karankaina, Niloam-peo ka dia nihira irony kalon-tany maina Sendra hiran-doh...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/isaorako-andriamanitra
Isaorako Andriamanitra
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
ISAORAKO ANDRIAMANITRA Isaorako Andriamanitra nitantana ny lasako Nanolotra ny hery ho ampy hovelomako Ka raha ho avy ny ora hidirako amin'ny fasako Ny herin' Izy irery no lamba ionkonako Isaorako Andriamanitra nanolotra fitia Nahafahako nanitsy sy nitandrina ny diako Dia Izy ihany koa no isaorako satria Nameno...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/tao-anaty-onja
TAO ANATY ONJA
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
 Datin’andron’Alahady  Indray folak’andro izay  Tonga aho tsy nanadihady  Nefa nahita anao tampoka izahay  Ekeko aloha, fa nanafatra aho taloha  Ny fotoana mba ifankahitan-tsika roa  Saingy tsy nahafa-po no nitranga  Hay indro ianao fa nanangasanga  Tonga tsy nantsoina fa nasesikin’ny razana ?  Hoy a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/iza-hoy-ianao-no-diso
IZA HOY IANAO NO DISO?
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
 Iza hoy ianao no diso ?  Raha niray isika roa  Nifanaiky niara-niaiky  Nifankatia nifanao soa  Iza hoy ianao no diso ?  Raha nahery ilay Fitia  Izay nanambatra ho vato  Nanamafy koa ho Vy  Iza hoy ianao no diso ?  Raha nipoitra ireo olana  Nanalemy nanakivy  Nahatsapana ny mangidy  Iza hoy ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/fitia-volamena
fitia volamena
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
FITIA VOLAMENA Tsy mba hananako ny teny Hilazako ilay fitiavako Fa efa tsapanao ireny Na tsy hilaza aza ny vavako Izaho tsy hanolo-boninkazo Fa ny foko no omeko Azoko antoka tsy halazo Ka hahefa izay kendreko Tsy hananako ny harena Izay hahafa- po anao Fa fitia no volamena Izay natokako ho anao. Fitia vola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fomba-hafa
Fomba hafa
Nosy Malala
Fomba hafa, Sanatria ve hoe, hiady indray isika, Hiverina tamin 'ireo efa fahita , Handatsaka aina, handratra olona, sa misy fomba hafa ahafaha-mitolona ? Fifanevatevana tsy ananankavana , Mihevitra fa ny mahay vava no mazana. Tsy tàna intsony ny fihetsempo, Ny fisainana indray no tavela eo aloha... Aleo entan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/asa-raha-mba-fatatrao
ASA RAHA MBA FATATRAO
Ilay FANAMBY
Asa raha mba fatatrao, Nigoika nanelatra toa ranofotsy Ny foko adala,izay maro ny tsy mahalala Tsy hitony,tsy akory fa miangoty, Eny toa miaina ao anaty nofy Asa raha mba fatatrao aky ry malala Ny hetsiky ny fo manindry etoana Toa manazy ahy izy hiseto lava Taram-pitia tsy ho lefy eo anoloana No mandravaka ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/fahadiovana
IANAO
havotraniaina
IANAO Ny fahadiovanao anie, ho fotsy manjompika. Ny fiainanao anie, ho masoandro mibaliaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-fantariko
MILA FANTARIKO
Fredy Jaofera
MILA FANTARIKO Mila fantariko ny mahazo anao fa lasa rariko ka avia tantarao. Mila fantariko ny zava-mamely ka amboariko raha ilaina kely. Mila fantariko ny fo mitomany fa dia ohariko amiko eto ihany. Mila fantariko ny sedra mahory matoa loariko fa tsy misy tory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hady
HADY
Fredy Jaofera
HADY Aza mba mitady ny olona nanimba, na dia vetivety fa miteraka hady rehefa nanazimba, nanao ny tsy mety.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/namako-ireo
NAMAKO IREO
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
 Vao tonga teto Morondava  Tsy dia nahasokatsoka-bava  Koa nahita namana sahy  Tsy iza io fa « Lorcka »  Taty aorina indray  Dia nisy bandy kely iray  Izay milalao tsy misy farany  Dia i « Luco » no anarany  Zaza lahy miavaka amin’ny rehetra  Izay tsy tia misetrasetra  Boay kely tia mihisa  Izy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/ianao
IANAO
Nisainana RAFETRARIVO
Ny masoko mijery Ny saiko mandinika Ny foko manam_pery Miandry ilay dinika Lafatra ianao miavaka amin'ny maro Tsy misy mihintsy angamba ny toa anao Singa tokana tsy afangaro Ianao raha mijery,manopy maso ahy Mamokatra hery mandona ny fanahy Ianao raha mitsiky,manasitrana ilay fery Ny fisianao rahavako mampito...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aretina
ARETINA
Fredy Jaofera
ARETINA Rehefa zakan'ny marary ny aretina ananany dia kely ny jaly mahavoa : ho laniny foana ny vary, misy ny fiadanany tsy mitsahatra eto tokoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kitrotro
KITROTRO
Fredy Jaofera
KITROTRO Ny fitiavana toy ny kitrotro ka arakaraka ny iainana azy vao tena tsaroana marary ; atao ahoana moa fa mitrotro aretina marina ka manasazy 'tony fotoana tsy hanjary.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/fahefana
FAHEFANA
havotraniaina
FAHEFANA Fahefana avy aiza no isaloranao, no indro ianao mandatsak'aina tsotra izao, fahefana nalainao antsokosoko tsotra izao, no ilazanao fa Andriamanitra no momba anao. Fahefana avy aiza no isaloranao, no hanananao fahefana izao, fahefana nampindramina anao, no indro fa esorina aminao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-rhefa-hoe
TSY R'HEFA HOE...
AORN
Tsy r’hefa hoe izao tontolo, no handa zay foto-kevitra Nijoroanao hatrizay, Dia ho marina ny heviny fa ny foto-kevitrao No maha-velona ahiahy Fa ny masonao mijery, sy ny sainao izay nandalina Mety ho hafa noho ny hafa Zay ilay maha-ianao anao, k’aza avela ho very momoka Na ho maro mpanantsafa Tsy r’hefa hoe ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniriantsoa-razakamalala/sambany-sambany-taminny
SAMBANY sambany tamin'ny
Faniriantsoa RAZAKAMALALA
SAMBANY sambany tamin'ny tantarako No nanana ny tena tiako Izay nanova ny lalako Sy mba nanitsy ny diako Sambany teo amin'ny fiainako No nanana izany olontiana Niova ny fomba fisainako Nanomboka teo dia nangina Sambany tamiko loatra Izany fisian'ireny Ka tsy haiko ny nanararaotra Ilay fitiavana efa nomeny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamelona
MAMELONA
Fredy Jaofera
MAMELONA Ny mamelona ny fanahy no mamelona ny vatana tsy hahalala reraka, sarobidy sy mba miahy ary mahay mitantana hilamina tanteraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ry-foko...-mitonia
RY FOKO... MITONIA!!!
AORN
Lay endrikao nitsiky Tanaty ranon’orona Namoha ny tato anatiko… Dia kotsa koa ny foko Nitempo anao mangiana Ka nila tsy ho tantiko Lay masonao baliaka Mangataka fijery Nambabo ny fitiavako… Ny masoko tsy sahy Nijery sy nibanjina Fa resinao rahavako Lay tananao nitsotra Nanolotra arahaba Toa nampangovitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-fahantrana
RAHA FAHANTRANA
Fredy Jaofera
RAHA FAHANTRANA Raha fahantrana no misy aminao, rakofy finoana ; ny fahagagana, 'zay ezaka atao no handrosoana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adel-rakotomalala/gasikara
Gasikara
Adel RAKOTOMALALA
Gasikara Gasikara toy ny ahoana No hasetrin'ny fotoana Rehefa any aoriana any? Gasikara mitomany! Reo Malagasy amin'izany Hanao ahoana no fiafarany? Iza intsony no hianteherany Amin'ny androm-pahanterany? Raha Gasikara mahonena Gasikara mosarena Tsisy afaka hamikirana Fa Malagasy ho sahirana Fa tany ngazan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/zary-mankaleo
ZARY MANKALEO
AORN
Dia lasa ny fisainana…fa dia nahoana loatra? No mifandrombaka amiko ‘ty etraketra-piainana? Fa rehefa mba hitsidika avy eo am-baravarana Ilay hafaliana kely laroina fahasambarana… Dia tampoka avy hatrany… no indro indray misisika tsy mampilaza akory Reo sotasota ratsy, mandrotsaka tomany Dia lasa ny eritreritra,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/mitandrema
Mitandrema
havotraniaina
Mitandrema! Mitandrema ndrao lavo, ny fahavalo anie ka mandavo, mandavo izy tsy misangy, izay voany dia mampamangy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiazonafo
TSIAZONAFO
Fredy Jaofera
TSIAZONAFO T Tadidy daholo ny momba antsika, S Sahala ny vao omaly rehefa adika, I Iravoravoako ao anaty mangina, A Aborako etoana fa dia fitahiana. Z Zary alahelo no mitsofoka mora O Ohatra ny manaloka ery isan'ora, N Nofiko sisa 'zay andro niarahana A Ankehitriny ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-andro-2
NY ANDRO
Fredy Jaofera
NY ANDRO Ny andro tsara manome hasambarana nony miafara ho fety hitambarana. Ny andro ratsy mitondra ahy traikefa nony tsy vatsy no mitranga miantefa. Ny andro tiana, mitaona ahy fitiavana nony hafaliana no tonga fahasoavana. Ny andro mafy, mamoha fanantenana nony mamafy 'reo ora be hatsarana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ny-antsika-malala
Ny antsika malala
Ilay FANAMBY
Ny antsika malala a! Fitiavana tsisy seto,tsy mbola hatreto Fa efa hatrizay ary koa ho mandrakizay Ny antsika malala a! Fitiavana tsisy fitaka,ho maro mpakasitraka Fitiavana feno satria lavitra alahelo Ny antsika malala a! Fitia mifametra,tsy mba hanam-petra fa aina no fetra Fitia maharitra,ravaky ny lahatra N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ho-anny-tanindrazana
HO AN'NY TANINDRAZANA!!!
AORN
Fa tratra angaha ny tanjona? No toa variana miady Tsafain’ireo mpandalo? Sa isika samy isika Natao mba hifanavotra No diso fahavalo? Fa very angaha ‘lay dina Nampiavaka ny tena No toa manaiky ho babo? Sa anjakan-dravola ka gasy samy gasy No hifampitora-bato? Fa azo angaha ireo tany Bodoin’ireo vahiny No m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/aza-manantsafa
AZA MANANTSAFA
ARIMBOLA FENOTSIKY
(Tononkalo voasoratra manoloana ny fanandramana nandoro Baiboly nataon'ilay tovolahy anakiray ho fampitahana ny tranga nisy teny amin'ny fivarotam-boky Ambohijatovo Antananarivo.) Tsy azo hifanerena ny hino sy tsy hino. Tsy azo atao mihitsy ny hinia hanadino Fa manam-pahalalahana ny zanak'olombelona. Manana fijery ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/dia
DIA...
ARIMBOLA FENOTSIKY
Raha fantatrao ny misitery Nokobonin'iny fijery Nitopy taminao voalohany, Dia izay no tao an-dohany. Tia izy fa nihaotra. Tia izy fa natahotra Ho banjininao maharitra Dia nody koa tsy nahatsikaritra. Raha toa tsy takatrao Dia lazaiko eto izao: Fa tamin'iny ora iny indrindra Ny fitiavany no nifindra. Dia las...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/propagandy
PROPAGANDY
AORN
Ny vanin’andro tahak’izao Na eny an-tsaha na an-tanàna Mitotorebika mazàna Tonga hanambitamby anao Reo hirotsaka hofidiana Ho filoha izay atsy aoriana Dia manao bebe fiavy Miaraka amy tabataba Sy artista malaza Dia raikitra ny fizarana Sy ny fampandriana adrisa Ireo vahoaka analin-kisa Sahy mianiana tsotra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nentim-pita
NENTIM-PITIA
Fredy Jaofera
NENTIM-PITIA Nentim-pitia matoa aho manoratra fa ny mangia, embona ange, ohatra. Nentim-pitia matoa aho malahelo fa tsy minia mba hitoerana avelo. Nentim-pitia matoa aho misaritaka fa te handia fotoana hampibitaka. Nentim-pitia matoa aho mitomany fa be siasia ny fiainana an-tany !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-miandry-reraka
AZA MIANDRY RERAKA
Fredy Jaofera
AZA MIANDRY RERAKA Aza miandry reraka vao haka aina ny vatana raha tiana hiteraka ny hery ilaina mivantana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ny-fanamby
Ny FANAMBY
Ilay FANAMBY
Ny fanamby, Efa ela izaho no efa niandry Alim-pahasambarana feno manana Hovoizana ,ho valin-kasasarana Efa ela mantsy no nikalo Hanandratra ary nanambara Eto aloha de mbola"tononkalo" Fa any aoriana ho lasa "tantara" Hanora aho fa betsaka ny miandry Tsy hikomy fa ampanetren-tena Hanandra avo ity firenena Ena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/mianara-ry-sakaiza-miana
Mianara ry sakaiza,Miana
havotraniaina
Mianara ry sakaiza, Mianara mba ho soa, Fantatrao fa n'aiza n'aiza, Samy mila zava-tsoa. Soa lehibe tsy hita isa, No ho azonao raha mahay, Ka ny tsy mahay no sisa, Ory ka mangaihay. Mihevera ry sakaiza, Mihevera tsara izao, Fa izao no andro mora, Ndrao dia hanenenanao. Tsinjovy fa ny maro, Efa diso taona r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tonom-bavaka
TONOM-BAVAKA
AORN
Hiangaviako ianao hihaino ty tonom-bavako eto ity Dia meteza mba hamaly Fa fahoriana sesehena no nianjady tato ho ato Ary tena nampijaly Misy ray mandao ny zanany noho ny sotasotam-piainana Ka tafiditra am-ponja Vokatry ny endrikendrika, tsy mba nisy famotorana Mibaby sazy be mafonja Misy reny miady irery fa na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/ny-fiainanay-madinika
NY FIAINANAY MADINIKA
ARIMBOLA FENOTSIKY
Ny fiainanay madinika: Nanjary rotoroto lava; Tsy fantatra mazava. Fa mitolona isan'andro, Miketrika nahandro. Karama varimasaka, Tsy mahampy sasaka amin'ny volana iray Dia mandry fotsy zahay. Kikisan'adin-tsaina, Tsy mahalala maka aina Fa ny hitady vola ihany No an-dohanay any. Tsisy mahare ny antso avo. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratax/mifona
MIFONA
Ratax
Andriamanitra ô! Mifona aminao aho fa very fanahy, Tsy voatohitro intsony ireo fakampanahy, Hatr'izay hatry ny ela aho nanao mafy fo, Ankehitriny aho mivalo tsy hanao manin'dro. Dada ô! Raha nananatra ianao nataoko andamosina, Raha niteny ihany koa za nanao mafy sofina. Raha nikapoka ianao tsy nampiova ny saiko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/vavaka
VAVAKA
Lantorose
Ry Zanaharinay. Zaro ny fonay. Hahay hitia ny hafa. Hahay miara-miasa. Hanova ny fo lentika . Sy ireo toetra tsy mendrika. Handrava ny efitrefitra . Ho zary fo mandefitra. Handrodana tamboho . Mpanavaka ara-poko. Sy ny fijery tsy mazava . Mpanavaka hodi-tava. Hanova ito vava. Miavonavon-dava. Hanova ny fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/anaty-afo
ANATY AFO
ARIMBOLA FENOTSIKY
Rotidrotiky ny bala 'lay jiolahy tsy mataho-tody ka rovidrovitra ny vatany. Potipotika ny nofony, ny rà miraradraraka, tsy misy halevina intsony ho any am-pasandrazany. "Iny re olona no tratra am-body omby nanimbazimba ny dinam-piarahamonina a!" "Iny re ny olona nisotro ny aleoko maty tamin'ny fitiavam-bola fa tsy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mibanjina-ny-ho-avy
MIBANJINA NY HO AVY
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Am-polo taona maro no niarahan-tsika, andao hitsofana mozika. Hankalazaina izany fotoana mamy izany, dia ny mbola eto an-tany. Tsy toko tsy forohana ny zava - niseho, nampiakatra ny feo. Tsy hita ho tanisaina koa ny zava-tsoa, naha tretrika tokoa. Efa vita ny adidy maro amin'ireo zanaka, ao ny manana taranaka....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/anjoanjoka-samirery
Anjoanjoko samirery
Ilay FANAMBY
Anjoanjoko Samirery sisa ny eto Fa izay atao,mampahory mampiseto Eny! Anjoanjoko samirery Satri,nandao ahy ianao ry neny Fa nahoana e? Sao de tsy rariny Lasa tokoa mantsy ianao! Fa nahoana ah no mizaka ny mangy toy zao? Neny a! miangatra ny fiainana Zay onenako toa tany karakaina Fa de nahoana loatra ry neny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-nofy-matory
MISY NOFY MATORY
Fredy Jaofera
MISY NOFY MATORY Misy nofy matory ato am-po hatreto tsy fantatra akory, na ahoana, raketo. Misy nofy matory manangan-tigetra manambara izory, na atao amboletra. Misy nofy matory tsy ilaozana adidy nikasa nanorisory fa nekena handidy. Misy nofy matory mila hafinaretana rehefa reraka ory ito fieritreretan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/misy
MISY
ARIMBOLA FENOTSIKY
Nisy taon-dasa tsy tsaroana; Mavana ihany ka mora nolokoina. Nisy ireny lasa tsy niverina; Nitampodifohy fa tsy nampanenina. Nisy toy ny aloka niserana; Tiana nosamborina fa tsy hay noferana. Nisy honohono ny nandrenesana azy; Tsy nahoana akory na dia tsy vazivazy. Misy am-pelantanana, tiana sy lalaina. Mahasa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/aina-ry-aina-malalako-i
ILAY AINA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
AINA ianao ilay tokana malalan'ny foko ianao ilay irery natokana ho ahy ny anaranao no hany vetsoiko dia namoronako kalo tamin'ny aingam-panahy ianao irery ilay tiako fihinina ianao hatrany no tiako tantanana tsy ho mandrakizay akia ny andro ririnina fa eto aho hanome ilay tena fitiavana mamy ny aina tiako ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-hafata
MISY HAFATRA
Fredy Jaofera
MISY HAFATRA Feno zavatra afa-mamoky ny saina liana ; misy hafatra entin'ny boky rehefa vakina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manirery
MANIRERY
Fredy Jaofera
MANIRERY Soa ny manirery noho ny miaraka amin'ny olona tsy tsara, toky tsy mamery mba mandraraka hanitra eto raha ambara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-ailika
AZA AILIKA
Fredy Jaofera
AZA AILIKA Aza ailika amin'ny hafa 'reo andraikitra tsy vita fa manaratsy be ny tafa sy tsy mba mahatafita. Aza ailika amin'ny hafa 'reo lahasa tsy tanteraka fa eritreritra hampijafa tsy hisy rindra hiteraka. Aza ailika amin'ny hafa ny fihemoram-pirenena fa vetivety dia hamafa ny tigetra nokendrena. Aza ai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/mety-aminao-ve
Mety aminao ve?
Ilay FANAMBY
Mety aminao ve ? Fahiny zaho nitalaho aminao Niangola,nangatam-pamelana Nahoana kay raha mba raisinao Sa mety amiao ve za miasa-saina Iny intsika roa teny anjaridaina Enao namikitra ah tafahoatra Avero aky fa mamy ny aina Sa mety aminao ve za ho any ankoatra Iny intsika sy enao nifampitantana Eran'ny aloka sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/mbola-hisy-ho-tavela-
Mbola hisy ho tavela ?
Nosy Malala
Mbola hisy ho tavela ? Ory havamana ve raha miteny, Momba ny fananam-pajakana ireny. Fahiny izy ireny dia tsy azo hifikirana, Ankehitriny raha tiana día azo anombirana. Ilay trano miaramila "Gustave Eiffel", Nanjary haolo sy takonan' hotel. Voaodidin'ny tranon'ny mahitahita. Bostani ... Miandry ny farany sisa !...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/velomanay-akama
VELOMANAY AKAMA
Ravanondrazana
VELOMANAY AKAMA Eto Ambohimiangaly no manao ny fara-tazana mitopy mianavaratra... Manao velona farany ho an'ny namanay nandao. Tomany ka tomany ilay tanàna nahalebeazana amin'izao fotoana izao. Fanahy maniditsidina laroin'ny fahanginana miavosa anaty lalina, No indro fa mahenika ny sain'izay manembona : nohever...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/raha-mbola-misy
RAHA MBOLA MISY
Lantorose
Raha mbola misy ny lanitra sy tany. Dia antenaiko hatrany. Fa indray andro any. Ito fireneko ho lasa nosy iray. Ho lapam-pihavanana , vahoaka mifandray. Ho foana ny adiady. Fa handry fahalemana. Tsy hisy omby very na vorona tsy ho hita. Raha tondraka ny rano hahay miara-mita. Tsy misy mana-pahefana sy hoe olo-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-asa
AMIN'NY ASA
Fredy Jaofera
AMIN'NY ASA Na be kinasa isan'andro vaky izao hahavita lalandava, amin'ny asa no ahalalako anao fa tsy amin'ny vava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/izay-vehivavy-izay-ilay-n
Izay vehivavy izay ilay n
ARIMBOLA FENOTSIKY
Izay vehivavy izay ilay niangaliako tononkalo tanaty diavolana. Izay vehivavy izay ilay nitondra ahy tan-kibo sivy volana. Izay vehivavy izay ilay manan-trosa tsy ho voahefako. Izay vehivavy izay ilay niaritra mba hamelona ny tenako. Izay vehivavy izay ilay ananako aingam-panahy androany. Izay vehivavy izay ilay i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/tanna-haolo
Tanàna haolo
Ilay FANAMBY
Nakaiza?? Nakaiza ny olona tetsy Toa rivotra sisa mifofo Manaratara, Endrey mameno ny tanana. Nakaiza ireo ankany, Sa ve niondrika ho tany Taitra manko ty foko, Fa to feom-borona sisa mitoloko De nakaiza daholo Mby ireo fonkon'olo Zavo-mikoriana No sisa aty aoriana Nakaiza ny biby amam-borona Ringana sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/finidy-nyandry/satria-aho-babonao
Satria aho babonao
Finidy NyAndry
SATRIA AHO BABONAO Nantsoiko hoe Tiana ianao... Nantsoiko hoe Fifaliako. Nantsoiko hoe Faniriana... Nantsoiko koa hoe Tiako, Malala sy ny sisa. Niantsoko anao daholo Ireo teny manontolo Nasondotry ny visa Hivoana tao antsaiko Fa....., Tiako ianao ry aiko Eny,tiako sy lalaiko Hatramin'ny fara-fofonaiko Eto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/ny-toetrany
NY TOETRANY
AnjaraNivo
NY TOETRANY Manana adidy karazany maro Kanefa fantaro fa tena marefo Ilay fatra-pitepo voafonon'ny tratra Mora voadona dia mora voaratra Mora mahatsapa ny mangirifiry Mahay mitahiry raha tohina kelin' Ny teny mahery masiaka ankiray Fa mamela heloka kosa indraindray Afa-mandray ny karazana lesona Indrindra voa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-toky
NY TOKY
Fredy Jaofera
NY TOKY Ny toky toy ny vorona ka rehefa lasa nisidina, iadiana vao tafaverina ; raha very mandrorona ka injao mitsingidina... Teny no sisa taperina !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/iny-tsikinao-iny
INY TSIKINAO INY ...
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Iny tsikinao iny, raha vao maraina, manintona ny saina. Raha maso mitopy mifanojo aminy, migoka ny maminy. Iny tsikinao iny, raha sendra tsikariko, tonga dia voamariko. Voatokana ho ahy tontolon'ny andro, na alina na antoandro. Iny tsikinao iny, mandalo sy miserana, tsy hita ho ferana. Tena kanto loatra, mamp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-motraka
TSY MOTRAKA
Fredy Jaofera
TSY MOTRAKA Lazao ny Marina rehefa mitady fahavalo hamingana ho potraka : tsy resaka amboarina na rediredy mandalo fa lahasa tsy motraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-mitady
AZA MITADY
Fredy Jaofera
AZA MITADY Aza mitady fahasambarana teo amin'izay toerana nahitanao fijaliana fa tsy mba hisy fitsaharana sy mainka hanerana 'reo fitomaniana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tsy
RAHA TSY...
Fredy Jaofera
RAHA TSY... Loza ny tenda rehefa toa manako raha tsy kenda tsy mahay mitsako ! Loza ny avo rehefa ahindrahindra, raha tsy lavo tsy mahay mamindra. Loza ny vola rehefa hajaina loatra raha tsy njola tsy mahay mivoatra. Loza ny soa rehefa anambaniana, raha tsy voa tsy mahay mangina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamaky
MAMAKY
Fredy Jaofera
MAMAKY Mamaky dia mitety tany mahavariana ka mitaky zoto no lalàny am-pitoniana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/gogogogo
GOGOGOGO
Fredy Jaofera
GOGOGOGO Ny gogogogo irery dia ratra ao am-po tsy sitran'ny taona hanovozana hery tsy izao no manjo fa ny dera foana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mampisalasala
MAMPISALASALA
Fredy Jaofera
MAMPISALASALA Aleo hiadaladala hivarina rehefa ratsy fiainga ; mampisalasala ny marina rehefa nandainga.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-feony
NY FEONY
Fredy Jaofera
NY FEONY Ny vorona mihira dia tsy mahalala raha misy mandre, ny feony dia mira amin'ny malala manintona ange.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ranomaso-mangidy
RANOMASO MANGIDY
Fredy Jaofera
RANOMASO MANGIDY Misy ranomaso mangidy mijoy toa patrakala rehefa manana ratra ; ny ora tsy manan-tsafidy ka mainka mijoala 'rony sedra nihatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-tehafina
AZA TEHAFINA
Fredy Jaofera
AZA TEHAFINA Rehefa tsy hilaza ny Marina, aza tehafina re ny lainga fa tsy mahasoa velively : 'zay diavina ho feno harina, ho nofy ny havadi-bainga, na dia andraikitra kely.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-voro-miserana
NY VORO-MISERANA
Fredy Jaofera
NY VORO-MISERANA Ny voro-miserana, mankany amin'ny hazo rehefa manidina fa te haka toerana hampihaino 'rony vazo toa miaka-midina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vao-misy-manontany
VAO MISY MANONTANY
Fredy Jaofera
VAO MISY MANONTANY Vao misy manontany 'rony momba antsika dia tonga dia tomany no eto be mandriaka. Vao misy manontany ny fitia 'zay nozaraina dia sento no mankany mahamonamonaina. Vao misy manontany 'rony andro nihafiana dia mahalasa vinany, mivoy fangirifiriana. Vao misy manontany ny ora nahasambatra d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/lalam-piainana
LALAN-TSAROTRY NY FIAINANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Tsy tsiriry vorona ny fifankatiavana, ka mikopak'elatra dia iny tsy tazana ; fa tsiriry ahitra lo an-tany aniriana, ampoky ny soa, anjakan'ny fifaliana. Tsy olonolompoana ny olona vadiana, toa oram-baratra mitondra fahoriana ; fa olona nofidiana tao anatin'ny maro, mila tsara fantatra, alalino sy fantaro. Tsy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/lavaka-be
Lavaka be
Nosy Malala
Lavaka be, Jerena fotsiny ity lalana lavaka be, Toy ny mahita banga, sahy mihomehy. Ny fiara mandalo día maro be, Ny hetra naloa tsy hita izay naleha. Talanjona amin' ireto ankizy, Nanototra tany hono Izato izy, Miandry mpandalo mba hanome, Mila vola kely fa noana be... Tsy tafavoaka ny firenena, Manjaka loat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/hiaraka-isika-roa
HIARAKA ISIKA HISIDINA ANY HO ANY
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Hiaraka isika roa an’habakaba any, handinika ny tany. Hijery ny zava-misy eny rehetra eny, tsy ankiteniteny. Aleo avela eo ity tanin-kerisetra, tena mampitsetra. Tsy mitsahatra ny mandatsaka aina, manoatra noho i Kaina. Hisidina miaraka ambony lavitra any, hanorina akany. Hanadinoana ny fahalovana lalina, ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/nahoana
NAHOANA
Lantorose
Nahoana ny kanto no jambam-pitia Ka tsy mahay miteny raha tsy resa-pitia? Zara raha miventy loha hevitra hafa Fa ny resaka vady no mameno ny tafa. Ny hira mikalo ny fo latsa-pitia Ny tononkalo miventy ireo voafitaka nitia. Ny hoso-doko maneho ny fo maratram-pitia Ny tantara mitantara ireo matim-pitia. Mitia ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/mpanakanto
MPANAKANTO
ARIMBOLA FENOTSIKY
Tononkalo iray Voasoratro tsy nahy. Namoronako feo, Noangolaiko avy eo. Voarotsirotsy ny fanahy, Taitra 'reo manodidina ahy. Niara-nihira ny tontoloko: To ny nofinofiko. Ka ny andro izay nanjombona, Ny ratra tsy nikombona Voatemitry ny kanto: 'Zay ilay mpanakanto!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ny-eto-an-tany
Ny eto an-tany
havotraniaina
Ny eto an-tany Ny fiainantsika eto an-tany, misy tsiky sy tomany. Miodikodina ambony ambany, ny fiainana ambonin'ny tany. Ny fiainantsika eto an-tany, ady sy tolona hatrany. Vesaran'ny olana isan'andro, ny fiainana ambanin'ny masoandro. Ny fiainantsika eto an-tany, mandalo sy miserana ihany. Andro volana tao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/saintsaino-kely-fa-
SAINTSAINO KELY FA ...
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ny siny feno tsy mba mikobana ; ny tsara fototra tsy hita hirodana. Ny daba foana no manakoako ; ny adala no mihomehy tsy miato. Ny mpivavaka no mahay mitalaho ; ny olon-kendry tsy manely tsaho. Ny voakarama no manao kaonty fako ; ny mpisolelaka no mandoka tsy miato. Ny olo-malina mitsinjo ny ampitso ; ny nian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tsy-milamin-tsaina
TSY MILAMIN-TSAINA
RASOA
Maninona aho no tsy milamin-tsaina Toa teritery, tsy afaka miaina Sao dia mitady zavatra tsy takatra Na manahy hoe tsy ho tody ho tafakatra Ka manao fanenjika zary mifaninana Dia mihazakazaka mahatsiaro hoe sahirana Sa kosa ary feno ny hasambarana Dia be fanahiana ndrao dia mifarana Maninona tokoa ary aho no be...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/anio-aloha
ANIO ALOHA
RASOA
Ataoko matsiro aloha Izay androany Ny ampitso tsy hay Na ngidy na mamy Sanatria Aho marary Tsy ho tafatsangana Misy loza mitranga Tsy misy hiangana Hanangona hiafy Hitsinjo ny ho avy Tsy ahita fifaliana Anahy hoe mafy Na dia hoe fahendrena Ny mijery ny ampitso Ny tsy hifaly anio Dia mikofoka diso Koa an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/teny-fohy-fanambarana-sy-faminaniana
Fanambarana Faminaniana
havotraniaina
Ny fanambaran'i JESOA KRISTY, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony, izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana, ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jôhany mpanompony, hanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i JESOA tompony. Jôhany niankohoka hivavaka teo antogotr'ilay a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lavaka
LAVAKA
Fredy Jaofera
LAVAKA Ny vavaka tsisy finoana, mody raitra fa lavaka hahazoana ny tsy laitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ilay-saranga-tsy-mitovy
ILAY SARANGA TSY MITOVY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ILAY SARANGA TSY MITOVY Tianao izy! saingy etsy ange izatsy izy e! hoy i Dada, hoy i Neny tsy misalasala raha miteny hoe : anaka mitandrema! dia mba mihevera tena fa tsy olona hoatr'ireny no ho vinantonay sy neny fa mba mijere saranga izy mavomavo lamba f'ianao manana ny ampy aleo olona afaka hifanampy no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/manavaka
MANAVAKA
RASOA
Malalaka madio izato tranoko Mbola misy ambim-bava izay hohaniko Midadasika sy lonaka ny taniko Nefa tsy hanaiky anareo aho ho sahaniko Satria ny fiainako misosa sy mizotra Tsy mba misy olana goavana mipoitra Mihezaka mafy aho ny mihoitra Ianareo te hitavana tsotsotra Henoko ny fitenintsika samihafa Ny anareo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tetezana
TETEZANA
RASOA
Andao tetezana no hamboarina Hanefy antsika tsy hivarina Ahazoantsika mifandray Hifampianarana izany tsy hay Dia ho tiantsika ny hifangaro Tsy ho vitsy fa ho maro Ka na ny fotsy, na ny mainty, na ny mena Tsy misy avaka fa samy ekena Andao tetezana no ahorina Izay sakatsakana esorina Izay tonga tsy ho tohitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/misokatra-aminao
MISOKATRA AMINAO
Ravanondrazana
MISOKATRA AMINAO Mitovy sy sahala amin'ny olona adala aho... Raha manova làlana, mandà ny tànanao mitsotra te hamerina ny fiarahana taloha. Mantsy ny ahy foko: tsy mety manadino ! Tinefinao ho vato ka nahazaka rimorimo; Nahazaka ny hirifirin'iny fisarahana iny... Ratraratra maro no indro tonga holatra. Vonona a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/olo-mangina
OLO-MANGINA
Fredy Jaofera
OLO-MANGINA Ao ny haratsiana namely ahy ange ka nahavaky barara ; ny olo-mangina dia miresaka be amin'ny olona tsara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitady-anao
MITADY ANAO
Fredy Jaofera
MITADY ANAO Mitady anao ny foko fa azon'alahelo raha eto re antsoiko efa ho in-telo ! Mitady anao ny saiko fa verivery dia, hafahafa ny mibaiko ka tsy miriaria. Mitady anao ny orako fa banga daholo, n'aiza n'aiza izorako, sento be mikolo. Mitady anao ny toriko fa tapatapaka, ny misy re no tsoriko hanafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamafa
MPAMAFA TAVA
Fredy Jaofera
MPAMAFA TAVA Ialao ny hanihany ka aoka re hazava eto foana ho doria : tsy mampitomany fa mpamafa tava ny olona tia !...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazavao/raozy-mainty
Raozy mainty
Zazavao
Nitolofika nianjera tao an-jaridaina Natory tsy nifoha, tsy afa-mitaraina Ilay raozy iray izay endriky ny tanàna Izay nambabo ny fo, nanala ny adintsaina Nosemban-drahona ilay androko mazava Tohina ny fo, tsy nahateny ny vava Fa ilay fitokiana no lasa ka tsy tanty Ka niova ny loko, ho lasa raozy mainty Matroka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/fanadinoana
FANADINOANA
RASOA
Antsoiko tsy tonga ianao ry fanadinoana Hanampy ahy hanadino tsy ho tsaroana Ny foko misokatra tsy mety mihidy Ny saiko mitodika minia mitadidy Ka mba mila anao aho , avia mba ampio Ireo tsiahy rehetra mba avilio Verezo ny dia, koseho sy fafao Mba ho zavatra hafa, fiainam-baovao Kanefa rehefa mitodika aho ry fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ity-tanintsikia-ity
ITY TANINTSIKIA ITY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ITY TANINTSIKA ITY ity tanintsika ity dia manan-karena fiangonana nefa mahantra'olo-marina toa manan-karena olo-manga fa tsy dia manana'olon-tsoa toa maro manam-pahaizana saingy nilaozan-dRafahendrena dia...! ny marina takotakonana ny olo-meloka tonga olo-marina ny lalàna tsy mety voahaja hiketsehana'ireo t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mikatona-aminao
MIKATONA AMINAO
Ravanondrazana
MIKATONA AMINAO Mitovy sy sahala amin'ny olona adala aho Raha miverin-dàlana mandray ny tànanao mitsotra te hamerina ny fiarahana taloha. Mantsy ny ahy foko mba nalaky nanadino... Tinefinao ho vato ka nahazaka rimorimo; Nahazaka hirifiry tamin'ny ratra tonga olatra. Inty aho fa mijoro na dia nisy anao nisompatra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/sekoly-poeta
SEKOLY POETA
Ravanondrazana
SEKOLY POETA Ny eto raha tia, dia mody mangina ! Fa mahalala tsara ny vokatr'izany... Manam-pitiavana ombam-panirina Kanefa milefitra fotsiny eny ihany. Ny eto raha tia, dia mahatsindry fo ! Olona tony sy manam-paharetana. Manome lanja ny fiasan'ny loha; Mahay mamorona fankaherezana. Ny eto raha tia, dia mahay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/diamondra-voasedra/ratram-panahy
RATRAM-PANAHY
Diamondra Voasedra
Reko mibosesika tsy mihato ato anaty Ny retsika mangina atroatry ny tsiahy Fa maniry higoka ny mamin'ny fanahy Ny etahetam-poko mibitsika aminao Etsy mba tario hitady paradisa Ity sakaizanao trotraka am-panahy Efa leo ny ngidin'izao tontolo izao Ka te himamy ny fiainana tsy hita Sasatra misaina ny lasa efa vita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/tena-tia
Tena tia
Ilay FANAMBY
Tena tia, -tena tia marina, Na inona hambipo miseho De mbola tsy miova ny foko hatreto -tena tia marina, Fa na inona adiady Ny ao asaiko de haka anao ho vady -tena tia anao marina, Fa na inona fampirefesana Mbola ianao foana no imatesana -tena tia anao marina, Satri,na inona tantaraina De any aminao foana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/misy
MISY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
MISY Misy sombin-kiranao nalaiko ho sombin-kalo hamenoko ireo banga ao anaty tononkaloko Misy tononkiranao mitanisa kanto maro manja tena manja ka tonga kalokaloko eo imolotrao! misy angolam-peo maranitra sy manga toa sarotra takarina toa tsy hita ho hangalarina ilay feonao somary garagara noheveriko ho ...