url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/any-ho-any | ANY HO ANY | MAZ RAMANA | Any ho any...
Any izay i Malala
Mikalo ny olon-tiany
Efa...nilaozana an-tery!
Manina ahy izy izay
Manembona mangina,
Mitomany samirery!
Misaona fahoriana
...tsy misy mpampahery
Mitsetra fifaliana
...nefa tokana sy very!
Any izay i malala...
Mamakivaky onja
hatopatopan-drivotra
Mandoro, mahamay.
Fa mba tà... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ny-rarinyhitsiny-ary-marina-ankehitrinycitation | Ny rariny,hitsiny ary marina ankehitriny | Ilay FANAMBY | ANKEHITRINY:
"Ny rariny sy hitsiny dia izay sitraky ny fony,ary ny marina dia izay eken'ny sainy"
"Ny vola no tompon'ny rariny,ny olom-bitsy no manana ny hitsiny ary ny be voninahitra no tompon'ny fahamarinana"
"Raha té hanana ny marina dia katsaho aloha ny harena sy voninahitra "
(Ilay fanamby, ny rariny sy hitsin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamoha-sy-manidy | MAMOHA SY MANIDY | Fredy Jaofera | MAMOHA SY MANIDY
Maro ny soa antenaina
rehefa mandalina
ho ravaka ;
mamoha ny maraina,
manidy ny alina
ny vavaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahasoa | MAHASOA | Fredy Jaofera | MAHASOA
Mahasoa ny fahoriana
fa tsy mampipetrapetraka,
na dia izay no irariana
rehefa indro valaketraka.
Mahasoa ny fijaliana
fa tsy mba mitondra tory
rehefa eo ny tsy tiana
toa maro be manorisory.
Mahasoa ny fihafiana
fa tsy mampalaina hiasa
tsarovy, na rahoviana
fa vao mainka, mikasa !
Mahasoa ny fanahia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/namakivaky-efitra-2 | NAMAKIVAKY EFITRA | Fredy Jaofera | NAMAKIVAKY EFITRA
Namakivaky efitra
vao tojo fitsaharana
ito fo be nandefitra
azon-kasambarana.
Namakivaky efitra
vao nisy zava-tsoa
feno tsirin-kevitra
nandamina tokoa.
Namakivaky efitra
vao nisy fitoniana
ny ora nahatezitra
tototra hakiviana.
Namakivaky efitra
vao nahatafita ery
ny nofy nidorehitra
ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanahirana | NANAHIRANA | Fredy Jaofera | NANAHIRANA
Nanahirana ahy ianao
fony nahazo ranomaso
ka very avy ireo lalao
fa nitranga ny ankaso.
Nanahirana ahy ianao
fony nitady famonjena
ka hafahafa tao ho ao,
nambara ho hafetsena.
Nanahirana ahy ianao
fony tebiteby goavana
ka tsy nety izay natao,
na nisy ny fitiavana !
Nanahirana ahy ianao
fony azo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/asandratra | ASANDRATRA | Fredy Jaofera | ASANDRATRA
Ny vavaka asandratra
dia mitondra fiadanana
ho an'ireo mahari-pery
rehefa tsy miambatra
no mitady fihavanana
amin'ny Ray mahery. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vavaky-ny-fo | VAVAKY NY FO | Fredy Jaofera | VAVAKY NY FO
Ny vavaky ny fo,
mahavita zavatra
tsy noeritreretina,
mahagaga tokoa
fa dia tsy takatra,
na tsy noraketina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-mizara | NY MIZARA | Fredy Jaofera | NY MIZARA
Hasambarana
mamy indrindra
ny mizara,
azo ianarana
fa dia famindra
mahatsara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/nankaiza-no-olon-tety | NANKAIZA HONO NY OLON-TETY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Nankaiza hono ny olon-tety ?
Miantsoantso toa fotsy rora ;
feo manako, toa manakora ;
lany ringana ny mety ho akora ;
rivotra sisa no mitsoka mora.
Nankaiza hono ny olon-tety ?
Tamboho rava sisa mijoro ;
hadivory ity efa lasa mikoro ;
farihy koa efa rako-jozoro ;
fo miatrika izany torotoro.
Nankaiza hono ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/aleo-eto-ihany | Aleo eto ihany | lain's rakoto | Ento misidina ambony aho
Hanakatra lanitra ambony
Mba hoento any aho
Hisiditsidina eo anilanao
Hoento misidina ambony aho
Raha sitrakao dia hoento any aho
Hijery ny ahakanton'izany
Mba hoento any aho
Hitazana izany endrin'izany
Hoento aho mba ankafihy
Hoento aho raha sitrakao
Raha toa ka tsy mety dia avelao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/diamondra-voasedra/tontolo-nohariko | TONTOLO NOHARIKO | Diamondra Voasedra | Nanangana tontolo tany an-efitra aho
Narodako ny haolo navelan'ireo Ntaolo
Nodorako ny lobolobo nameno tokotany
Mba ho fiainam-bao no hovantaniko Any
Noroahiko ny rahona nitondra oram-baratra
Mba ho endrika vaovao hanazava ny tontolo
Novoleko zaridaina ny nanodidina azy
Hamerovero hanitra sy handroaka ny lolo
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/anjara-lahatra | Anjara lahatra | havotraniaina | Anjara lahatra
Ny anjara sy ny lahatra,
dia izay eken' Andriamanitra.
Eny!..Nomeny anao ny safidy,
ny ho avy no voadidy.
Ny anjara sy ny lahatra,
dia avy amin' Andriamanitra.
Eny! Izy no mandamina,
ny tontolo no voalamina.
Ny anjara sy ny lahatra,
dia asan' Andriamanitra.
Saro-patarina, tsy hita faritra,
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/wong-f.g/ilay-nantenaina | Ilay nantenaina | Wong f.g | Izao vao tsapako ny ambadiky ridao
Ny ao anatiny nafenina hahajamba ny ivelany
Izao vao tsapako fa izaho dia kilalao
Nahita iray vaovao izy dia izaho no navelany
Tsy fahalalana ny fahadisoam-panantenana
Tsy fahalalana tokoa satria sahy nijoboka
Nanaiky ka izy nireharehana
Nefa injay fa nanatona ireo zana-tsipika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mpitsikera | MPITSIKERA | Fredy Jaofera | MPITSIKERA
Kely noho ianao
fa tsy ny mifanohitra
'rony mpitsikera ;
andeha ambarao,
tsy tendrombohitra
ka mba mihevera. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/poezia | POEZIA | Fredy Jaofera | POEZIA
Ny poezia,
fahatsiarovana
feno tomany,
mangia,
mahatorovana
tsy hita lany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mivavaha | MIVAVAHA | Fredy Jaofera | MIVAVAHA
Ny vavaka ihany
no mahay manolo
ny aizina hazava,
manova ny tany
ho rindra daholo
no eo lalandava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/aleo-maty-mamela-mamy-toy | ALEO MATY MAMELA MAMY TOY | ARIMBOLA FENOTSIKY | ALEO MATY MAMELA MAMY TOY NY RENINTANTELY
Eto an-tany fandalovana:
eto no ara-maso
ny ram-pahatsiarovana,
na mamy na matsatso.
Teto ilay nanao ny soa
no namela rangon-tsoratra;
izay tsy niandry valisoa
fa niari-pery mba hanolatra.
Teto ihany koa
ilay fanetriben'ny tany,
nangidy hoditra ka lo
any ambany rang... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/wong-f.g/noho-izaho | Noho izaho | Wong f.g | Tsy te hanili-keloka ho an'iza intsony
Hoe iza no nanimba sy namotika ny fony
NOHO IZAHO sy ny fitiavany nomeny
Izay tsy haiko notantanana na niezahana tsy ho very
Naleony ny namoy ny fataony retraretra
Naleony ny hisandratra am' fiainana hafa indray
Nefa ny ahy tany aminy nisy Lahatra nametra
Tapitra hatreo hon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/valala-voatango | VALALA VOATANGO | Fredy Jaofera | VALALA VOATONGO
Valala voatango
'reo olona maro
nitady ny lango
kanefa takaro !
Valala voatango
ka nihetsika ery
fa na ampango,
tsy ao am-bilia.
Valala voatango
ka niara-nizotra,
na hirangorango
ny sakafo tsotra.
Valala voatango
ka mila fiovana
fa aza manango,
hajao ny lalàna. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hitsaho | HITSAHO | Fredy Jaofera | HITSAHO
Hitsaho ny vitsika iray
fa maro no tonga hamono
hamaly faty daholo ;
ny vatana no hamaivay,
tsy resaka na honohono,
mila ho manontolo ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mitovy | TSY MITOVY | Fredy Jaofera | TSY MITOVY
Na samy mijery
eto am-baravarankely,
tsy mitovy izay jerena ;
ao no gaga irery,
ao koa no tia mamely
mbola tsy hay fefena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vokatra | VOKATRA | Fredy Jaofera | VOKATRA
Na satry aza hivelatra,
na be ny tontosa,
izao no vokatra :
ny ratsy manan'elatra
fa ny tsara kosa,
toy ny sokatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/kilasy-fahasivy | KILASY FAHASIVY | Ravanondrazana | KILASY FAHASIVY
Indray ariva izay, nahatazana vehivavy aho.
Madamadama bika: miravaka sy mihaingo...
Samy indray niherika ka babo teo daholo ireo tovolahin'ny alina,
Satria tokoa ny ambaniny miendrika "baraingo" mahavalalanina.
Iny fa niampita aho ka nanaraka milamina.
Fa te handray anjara hifaninana ihany koa.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjra/a-f-a-p-o-t-o-r-y | A F A P O T O R Y | hjravs | A F A P O T O R Y
Hay ve 'zao no tena izy e!
Hay anganongano; arira no notantaraina anay.
Kalo fandrotsiana ankizy
'reo velivelirano an-kira, nokaloina hatramin'izay:
Vatomamy e, kilalao...
Dia renoka tanaty nofy, tsy nanampanahiana akory.
Fa ny tsy hainareo dia izao:
Ny zazabe tsy maintsy taitra rehefa afa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ny-olombelona | Ny olombelona | havotraniaina | Ny olombelona eto an-tany,
na avy aiza fihaviany,
na avy aiza izany heriny,
dia indro misy fefy,
manasaraka amin'ny ainy.
Tsy afa miala rehefa tonga,
fa ateliny tsy mihera,
na amoron-kady,na maitso volo,
misaraka amin'ny aina.
Dia indro fa mitady,
fa misy tsy hay resena,
manaloka, mandindona ny tena,
fa his... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/raha-ho-avy-izay | Raha ho avy izay | Ikalamako | Ny taona moa ity mandroso
Ny hery koa toa zary mihena
Ny foko sanatria hamotsotra
Noho ny sedra sesehena.
Fa raha tampoka ny diako
Ny aina hoe tsy mifametra
D’efa isaorako ry tiako
Ny fitiavanao rehetra.
Ka amin’ny làlana hombako
Mandra-pahatongako Any
Ny feonao no ho reko hanako,
Ny endrikao no hamefy izany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mahantra | TSY MAHANTRA | Fredy Jaofera | TSY MAHANTRA
Tsy mahantra fa sahirana
ny vahoaka malagasy
tsy mahita mangirana
ka injao mangasihasy.
Tsy mahantra fa sahirana
'ty tanindrazantsika
matoa mba ifikirana
fa tany mahasariaka.
Tsy mahantra fa sahirana
ny toekarena etoana
ka tsara handosirana
ny ratsy nitompoana.
Tsy mahantra fa sahirana
ny pol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/diamondra-sarobidy/iny-rahona-iny | Iny rahona iny | Diamondra Voasedra | Iny rahona iny
Mikorina mora
Hamonjy ny fodiany
Tsy hay izay hiafarany
Mirona tsy tana
Miankandrefana any
Ny ranomasonao
Mirotsak'eny foana
Raha misy ny fotoana
Tsy hisy fihafarany
Mirorona ny lalany
Raha milatsaka eo
Tefeo ny fonao
Ho voazaha toetra
Sy afaka hitoetra
Tsy manam-paharoa
Sarobidy ihany ko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiadanam-po | FIADANAM-PO | Fredy Jaofera | FIADANAM-PO
Be ny ady nanjo
tsy nety nifarana
fa zaka hatrany ;
ny fiadanam-po
no hasambarana
tiako eto an-tany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/hafatra-ho-anao | HAFATRA HO ANAO | ARIMBOLA FENOTSIKY | Raha sendra topi-masonao
ny korisam-peniko iny,
dia avelao ho vakiany
izay voasoratro ao.
Raha mba azonao atao
ny manokana fotoana
na amin'ny fomba ahoana,
mba jereo ny soratro ao!
Raha toa ka sitrakao,
aza adino ange izany
fa misy hafatro any
nosoratako ho anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/fahamarinana | Fahamarinana | havotraniaina | Fahamarinana
Raha ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny no ho resahina,
moa tsy betsaka no marary fo, arahin-tseto tomany koa,
moa tsy betsaka no nigadra, arahim-baraka alahelo koa,
moa tsy betsaka no namoy havana, arahin'ory ho aiza moa,
moa tsy betsaka no namoy ny ainy, arahin'aloka kamboty koa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ampoka/efa-nataoko-taminny-heri | Ampoka | AMPOKA | Efa nataoko tamin'ny heriko rehetra
Izay mety aminao tsy nasiako fetra
Fa nokatsahiko sady ho katsahiko hatrany
Ny hampiroborobo ilay fitia tsy ho lany
Efa natolotro ho anao avokoa
Izazy rehetra fantatro fa mahasoa
Hampanalaviriko anao ny indrisy
Eny fa na dia hamoronako ny tsy misy
Tsy sitrako ny ahatonga ano ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiory-rakoto/izaho-sy-anao | IZAHO sy ANAO | Tsiory RAKOTO | Tsy hoe kisendrasendra
Na koa zavatra miserana
Fa ''izaho sy anao'' mitoetra
Ary tsy azon'iza ferana
Ianao no andefimandry
Ho reniben'ireo taranako
Ianao ilay tena vady
Tsy mahasaraka ny tanako
Ho anao ireo teny mamy
'Zay nozaraiko tamin'ireny
Fa raha nisy koa tomany
Dia etsy honerako tantely
Ny foko ataovy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/fahasambarana | Fahasambarana | havotraniaina | FAHASAMBARANA
Ny fiainam-pahasambarana,
tsy vola aman-karena,
na vola sesehena,
fa mila fahendrena.
Ny fiainam-pahasambarana,
tsy toeram-boninahitra,
na laza,voninahitra,
fa mila ravinahitra.
Ny fiainam-pahasambarana,
tsy lokom-pirazanana,
na sarim-pihavanana
fa mila fihavanana.
Ny fiainam-pahasambarana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lalanny-soratra | LALAN'NY SORATRA | Fredy Jaofera | LALAN'NY SORATRA
Ny poety,
matin'ny aingampanahy
hatramin'ny fahanterany
raha mitety
ny lalan'ny soratra, lahy,
ny tantaram-pitserany ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/ilay-voa-tsar-a | ILAY VOA TSAR A | lain's rakoto | Teny tena teny
Teny miaro hehy
Teny avy ao am_ po
teny soa tokoa
Tsy manam_paharoa
Teny tena mamy
Lafatra eto an_tany
Tsy misy toy izany
Raha tsy any an_danitra any
Teny tena teny
Ilay tsy mba lany mamy
Lafatra anie izany
Ilay teny anankiray
Fantatrao angamba izay
Tsy azo atao vazivazy
Na koa sangisangy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mikiriza | MIKIRIZA | Fredy Jaofera | MIKIRIZA
Ny fitadiavan-dalana
dia vakiboky sy fihaonana,
na amin'iza na amin'iza,
tsy azo atao mahalana
fa matetika aza, hitaonana
ady mafy...Mikiriza ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-hery | MISY HERY | Fredy Jaofera | MISY HERY
Ny fianakaviana
no andrim-piaraha-monina
mampandroso firenena ;
manam-pitoniana
raha anio mbola angonina
fa misy hery tsy mivena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamokatra | MAMOKATRA | Fredy Jaofera | MAMOKATRA
Ny poety,
tsy mana-maso
afa-tsy ny soratra
ka vetivety
vao misy ankaso
dia mamokatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiory-rakoto/vehivavy | VEHIVAVY | Tsiory RAKOTO | Fanaja fa tsy hoe famitaka
Sarobidy toy ny volamena
Vehivavy fa tsy hoe fanitsaka
Manan-danja toy ny harena
Voalaza ho fanaka malemy
Fa sahy miatrika ny mafy
Amiko izy toa an-dReny
Mitovy hasina amin'ny ''bavy''
Tsy mendrika azy ny herisetra
Fa tanterao ny eritreriny
Atsaharo koa ny sedra
'Zay nampisokatra n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ombalahy | OMBALAHY | Fredy Jaofera | OMBALAHY
Ny ombalahy ao an-tanàna
dia trondro kely any ivelany
ka miforitra sy mangina
fa miala amin'ny fanjakana
tsy mba azy ka dia avelany
ny rehetra tsy hovaliana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahafinaretana | FAHAFINARETANA | Fredy Jaofera | FAHAFINARETANA
Ny faharatsiana
dia fahafinaretana
mampijaly
ho tojo fahoriana,
hijobo-piforetana
raha atotaly. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/faharatsiana | FAHARATSIANA | Fredy Jaofera | FAHARATSIANA
Be ny fanahiana
rehefa mahalala
ny tsy valahara ;
ny faharatsiana
dia mankahala
ny olona tsara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ny-ventso-ny-ela | Ny vetso ny ela | Ilay FANAMBY | Tsara tsy ho lany
Ny meva koa mbola misy hatrany
Aza tsiny raha mametso
Aza tezerina raha misatatra
Indro ny soratra vokatry ny seto
Mila vali-kafatra,
Any lavitra any ianao
Mety tsy mahatsiaro ahy akory
Mbola tsisy hafatra hatrizao
Angamba lasan'olona ny fony
Za aty mahatsiaro
Mamoha ny efa navalona
Zany a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aina-1/misy-fotoana-aho-te-hanad | Misy fotoana aho te hanad | Ny Aina | Misy fotoana aho te hanadao anao , nefa ny foko tsy mahafoy
Indraindray aho te ho irery tsy anilanao , nefa to te hiteny hoe antsoy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/aza-miandry-aoriana-sango | Aza miandry aorianasango | ARIMBOLA FENOTSIKY | Aza miandry aoriana
sangoa ho tara loatra.
Hampitohana ny kiana
ilay andraso kely tafahoatra.
Satria aoriana kely,
handingana ny ora.
Tsy hiandry velively
zay zatra goragora.
Fa aoriana ao,
misy zavatra tsy ampoizina:
mety ho loza mitatao,
mety ho nenina sy poizina.
Ary aorian'izay,
hotsapanao fa volamena
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazangaly/sera-maika | Sera maika | Zazangaly | Misy amin’ny sasany
Sahy mamarotra ny zanany
Amin’ny rangahy efa sola
Nohon’ny fitiavam-bola…
Misy ihany koa
Ireo tsy noterena
Fa dia nanolo-tena
Hivarotra ny entany
F’izay no efa “serany”,
Angamba tsy dia sitra-pony
Fa mety hoe tsy misy intsony
Ny ividianana sakafo
Izay sandaina lafo
Dia ny nofo no ahofan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nart-mada/fakam-panahy | Fakam-panahy | N'Art MADA | Tsapako ato anatiko
Ilay fitsikinano mahery,
Tena tsy mba tanatiko
Ilay masonao mijery
Tonga dia mambabo
Mampidoboka ny fo,
Ampio aho mba tsy ho lavo
Re ry Tompo Iray Tsitoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aina-1/matikambo-aho-indraindray | Matikambo aho indraindray | Ny Aina | Matikambo aho indraindray ka manao hoe sanatria raha izaho no hande hisisika aminao
Matetika loatra aho no mahateny hoe raha ianao tsy ampahafirin'izay efa nandao
Miaraka amin'ny akama aho ka mba mihambo hoe iny marina mo izany dia niarahako
Nefa ny ato ampoko mifanohitra amin'izany manao hoe rahoviana indray ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-trondro | NY TRONDRO | Fredy Jaofera | NY TRONDRO
Ny trondro mahita kankana
fa tsy mahita fintana
rehefa manjono,
misosososo tsy voasakana,
tsy mitily ny vintana
mety hamono. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/olom-banona | OLOM-BANONA | Fredy Jaofera | OLOM-BANONA
Ny fianakaviana no mitaiza
fa ny sekoly no manabe
ho tonga olom-banona ;
eritrereto izany ka mahaiza
ho fitaratra sy rehareha
miaina tsy an-kijanona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/indreo | INDREO | Fredy Jaofera | INDREO
Ny rano izay efa nararaka
dia ianjadiam-panenenana
rehefa mahasosotra foana ;
ny fianakaviana misaraka
dia eny am-pandevenana
vao indreo tafahaona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/anio-hariva | ANDROANY HARIVA | MAZ RAMANA | Androany hariva...
Kendakenda hoaho ny tena,
raha manopy mianandrefana an'iny lanitra iny,
Isan-takariva...
Mamelon-dakolosy any ambadimbadika any
ireo namoy ny havany, nalevina androany,
any ampasana tsy hita...
Mitakokokoko eny antsisin-drindrina eny, miafina ny rivotra,
manisa ny mpandalo
'ry mpangataka eny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fianakaviana | FIANAKAVIANA | Fredy Jaofera | FIANAKAVIANA
Ny fianakaviana
no sekolim-pahamarinana
sy fivoarana ;
seha-pitokiana
hamoazam-panambinana
sy hasambarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-ngeza | HO NGEZA | Fredy Jaofera | HO NGEZA
Ho ngeza ny trondro kely,
na ho ela na ho haingana
ny fandehan-javatra ;
ny vavany maro namely,
zary hivadika vaingana
hanindry azy fatratra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/lahatsoratra-lahatra | Lahatsoratra | Ilay FANAMBY | I lahatra,lahatra araka ny anarany ve sa ny anarany fontsiny no nosalavona hoe lahatra,,Mbola tsy nahita anjely saingy nahita anio,,zanak'iza ianao ry lahatra hoy ny redirediko irery teo ampahitana anao...eny na reo andalovanao ary tafabanjina avikoa, jereo ange zato...
-ny endriny de hafa mintsy,takolaka feno tsiky ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/harena-ny-fianakaviana | HARENA NY FIANAKAVIANA | Fredy Jaofera | HARENA NY FIANAKAVIANA
Harena ny fianakaviana,
na amin'ny mora
na amin'ny mafy ;
mahay mivoy hafaliana
fa tsy manakora,
na inona, mifafy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mampianatra | MAMPIANATRA | Fredy Jaofera | MAMPIANATRA
Tsy ny mpirehareha
no mahay mamboly
'reo rehetra mahasariaka ;
ny fiainana ange
fa tsy ny sekoly
no mampianatra antsika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ilay-tokako-enty-atany | Ilay tokako enty atany | Ilay FANAMBY | Ekena fa ny tsara tsy lany
Ekena ndray fA maro ny té-hoany
Nefa ny fiainana mandalo ihany
Noho izany de enao no tokako eto an-tany.
Ekena fa maro izy ireny
Nefa hafa raha ianao
Mamiko loatra irery
Na amin'ny hafa akilabao
Mandalo hoy aho ny fiainana
Mandalo ho tantara
Ianao no ho andry ny fiainana
Tarafin'ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/harendrina-hazavao- | HARENDRINA HAZAVAO ! | Fredy Jaofera | HARENDRINA HAZAVAO !
Harendrina hazavao
'zany lalana ombana
feno haizina eto izao
fa fety mahatamana.
Harendrina hazavao
'reto ankizy falifaly
hahita fiainam-bao
manimba ny omaly.
Harendrina hazavao
ny vahoaka sahirana
kivy foana tao ho ao
fa tsy misy ifikirana.
Harendrina hazavao
ny fiainam-pirenena
efa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mandeha | TSY MANDEHA | Fredy Jaofera | TSY MANDEHA
Tsy mandeha ny penina
tsy manan-kevitra,
na dia sahirana inenina
ny hahazo vokatra
kanto ao an'efitra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miafina | MIAFINA | Fredy Jaofera | MIAFINA
Ny ohatra
re tarafina
fa kanto ombieny ;
manoratra
dia miafina
ambadiky ny teny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-eo-aza | NA EO AZA... | Fredy Jaofera | NA EO AZA...
Na eo aza ny halehibiazana
rehefa tsy eo ny fahendrena,
tsy misy dikany eto an-tany,
na ambara ho fahombiazana
tsy misy an-koso-bolamena
no mamirapiratra ny akany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandoko | MANDOKO | Fredy Jaofera | MANDOKO
Ny poety dia mandoko
ny sary amin'ny soratra
ho azo vakina ny hafatra,
na mifaly na mitoloko
'rony ainga manokatra
kanto tsara ho fitaratra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/firenena-inona- | FIRENENA INONA ? | Fredy Jaofera | FIRENENA INONA ?
Firenena inona no entina
raha ny vita feno pentina
sarotra aminy hazavaina
rehefa ratsy no lanjaina ?
Firenena inona no entina
raha feno vola mitentina
tapitrisa maro manodoka
no toa tsy hita popoka ?
Firenena inona no entina
raha tsy miasa fa lentina
ny fandrosoana nirariana
hahay hitondra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eo...-19-janoary-2022 | EO...! | RRAG | EO...!
Eo angamba aloha no fetra voafaritra,
anjara voalahatra sy voarafidrafitra.
Eo tokoa moa 'zany, ny teboka sy faingo,
ary ho eo koa, ny tsora(ka) sy baraingo.
Eo no hamaranana, ny lasa sy ny etsetrany.
Eo no hamaritana ny tena faram-petrany.
Fa eo no hanombohana, fiainana vaovao!
Satria akia malala a! Teo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aleo-kokoa | ALEO KOKOA | Fredy Jaofera | ALEO KOKOA
Aleo kokoa
manam-piadanana
noho ny manan-drariny :
izany tokoa
no ananganana
ny hoavy ka tsy ariny ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toy-ny-tantely | TOY NY TANTELY | Fredy Jaofera | TOY NY TANTELY
Ny teny toy ny tantely :
mamy sy manindrona
rehefa ampiasaina ;
izany no hafatra kely
angamba mandindona
rehefa ampitaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-aminao | TSY AMINAO | Fredy Jaofera | TSY AMINAO
Tsy aminao
ny krizy
ka milalao
izaitsizy.
Tsy aminao
ny mafy
ka toy izao
ny atafy.
Tsy aminao
ny noana
ka be tsaho
eny foana.
Tsy aminao
ny haizina
ka ao ho ao
hofaizina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andraikitra | ANDRAIKITRA | Fredy Jaofera | ANDRAIKITRA
Ny fahaleovantena
dia andraikitra
fa tsy valisoa :
fahafahana nekena
raha miraikitra
ka mijoroa ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-faharetana | MILA FAHARETANA | Fredy Jaofera | MILA FAHARETANA
Mila faharetana
ny fahombiazana
vao azo inoana
ny hafinaretana
tsy mba tazana
fony nimasoana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manova-teny | MANOVA TENY | Fredy Jaofera | MANOVA TENY
Rehefa hanova zavatra
dia manova teny aloha
'zay mpitarika mijoro
vao hay atao fitaratra
na modely ihany koa
no hevitra azo atoro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/finidy-nyandry/mahantra-fitia | Mahantra fitia | Finidy NyAndry | Any ho any zao
Misy fo mahantra manjoy anao mangina
Misy fo maratra tsy hay ampitoniana
Fa tsy fantatrao akory
Misy fo tsy mety hitony
Fa hatraotran'ny fitia
Misy fo te hifangia
Tsy azo norarana
Misy fo malia voagejam-pahantrana
Fa ,mitianao mangina
Manembon-tsasakalina
Tsy fantatra fiaviana
Fa,avy any am-p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ontsa-loatra | HONTSA LAVA | Fredy Jaofera | HONTSA LAVA
Hontsa lava ny tena
mahita anao mivena,
mahita anao mijaly
ka mandre antsaly.
Hontsa lava ny tena
mahita anao volena
'reo zava-doza maro
manimba ny tsiaro.
Hontsa lava ny tena
mahita anao hosena
miampy fangalarana
tsy misy fitsaharana.
Hontsa lava ny tena
mahita anao fefena
tsy hamoha ny tsar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adel-rakotomalala/ho-ani-madagasikara | Ho an'i Madagasikara | Adel RAKOTOMALALA | Ho an'i Madagasikara,
Ranomaso ivozoana
Tsetran'ny alin-tsy atoriana
Rodorodom-pahakiviana
Fa nilaozan-tany tena tiana
'Dray 'zany atiko mangina
Fa izay tonga eo dia mitoraka,
Amim-bato mihavosa
Sy taona maro feno trosa
Ho an'i Madagasikara,
Sentosenton'olo-manina
Mitia anaty ka mangina
Tsy nampianarina hik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nahary-andrianiarivo/hambo | HAMBO | Nahary Andrianiarivo | HAMBO
Iniako ny midify tsy hahita anao kanefa...
Mainka toa mihantsy
Ny masoko hatrany ny topi-masonao
Malefaka fiantefa!
Iniako ny mangina tsy hiresaka intsony....
Kanefa ange ry Sena
Tsapako ho mijaly ny fo amam-panahy
Mandrapa-hitako tory!
Iniako ny tsy mihaino ny bitsiky ny saiko
Tsy hamela anao hisintaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/itokiana | ITOKIANA | Fredy Jaofera | ITOKIANA
Fandrafetana
'reo faniriana
isam-bolana ;
ny faharetana
raha itokiana,
mamaha olana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izany-vady-izany | IZANY VADY IZANY… | RRAG | IZANY VADY IZANY…
Tsy akory sanatria, ny fototenim-bady
Lazaina foana ho ady…
Ny vady mantsy hono, fatoran-toy ny tady,
tsy rojom-bavahady,
fa aina fenon’ny aina, famenon’izay banga.
Ny vady samy manja!
Ny vady koa fanaja, fizaràn-tsiambaratelo,
ny vady no endrik’elo,
fialok’oran-dava, fialofana hafanana,
rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimbola-fenotsiky/afo | AFO | ARIMBOLA FENOTSIKY | AFO
Afo tsy mety maty,
Afo mirehitra anaty
Ny tena afom-pitiavana:
Afon'ny tia Tanindrazana.
Efa impiry vonoina?
Efa impiry jokoina?
Mainka mijoalajoala
Eo imason'ireo mpankahala!
Ny fanilon'ireo maritiora
Miampita amin'ny literatiora:
Memy eo an-dohan'ny velona,
Mandotra tsy mety ho lavenona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teny-kely | TENY KELY | Fredy Jaofera | TENY KELY
Teny kely
fa asa be
no ivoarana
vao modely
'zay mandeha
ka ianarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indray-nitete | INDRAY NITETE... | RRAG | I
Misy lanjany tsy hain'ny fo 'ray hafatra,
ny tomany nilatsaka nentim-potoana!
Nisy sedra nandavo na tanjona tratra,
mety ho hafaliana, na endrika saona!
Tombo-kavatsa tsy hay hokosehana,
na voarango-pohy na voapeta-tondro,
ny tsiky tomany, nindesin'ny fiainana,
nanafosafo na koa nanamongo!
Ny ranomaso indray... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/any-ambaniko-any | ANY AMBANIKO ANY | Ravanondrazana | ANY AMBANIKO ANY
Any an-danitra any... Paradisa, hono, ny any...
Kanefa mbola mamiko raha ny eo anilanao.
Manintona ahy ny tany sy izao tontolo izao.
Fa mbola ianao hatrany no ankafiziko kokoa.
Mamololona aok'izany ilay fitiavantsika roa.
Lemain'ny teny mamy 'zay henoko miavosa.
Mampamorivory izato foko mbola os... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ry-tanindrazako-malala | Ry tanindrazako malala | Vetso mena | Eny oa ry Madagasikara
Ilay hoe tanindrazako malala
Verivery foana izato ianao
Verivery foana toa kilalao
Eny oa ry Madagasikara
Ilay hoe tany tia fivoarana
Hatraiza moa no antenaiko
Ny mety ho aviko aza tsy ho aiko
Eny oa ry Madagasikara
Ilay tanin'ireo razana
Malaza ho manana harena
Saingy tsy mahavelon-te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsiaro-tiana | TSIARO TIANA... | RRAG | TSIARO TIANA...
Andriamanitra o!
Raha misy na dia kely, azonao atao,
hamafa ny fisian'ny alahelo anaty!
Ry Tompo tia sy tiako! Alao,
tsy maninona, aleo mihitsy ho faty!
Fa efa tsy ho zakan'ny foko resy lava,
efa leo 'lay mando, ihany koa ny tava!
Andriamanitra o!
Raha misy fahatsiarovana, mitondra fery anaty,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/andro-fahafito | ANDRO FAHAFITO | Ravanondrazana | ANDRO FAHAFITO
Sabotsy mahafinaritra! Kanefa koa tsy mora
ny niainako ny androany.
Miraikitra mahasosotra ny minitra sy ny ora.
Tsy handriko ny ampitso 'zay hiaonantsika any
an-tranon'Andriamanitra.
Manintona aok'izany ilay endrikao finaritra.
Kanefa sahy nanatona an'ity mpanota kely
sendra nandeha irery, nihaz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanilo-r.-a/raha-izaho-no-andrasako | Raha izaho no andrasako | Fanilo R. A. | Raha izaho no andrasako hamaha ny fatorako
Dia ho foana ny ezaka rehetra hatao.
Fa raha misy mpanavotra hanafaka ny olako
Dia ho maivana ny entana entiko izao.
Tsy misy fiadanana azo antenaina
Raha mbola voageja ny fo sy ny saina,
Fa misy Mpamonjy izay azo tsaroina,
Dia 'lay Iray izay nietry sy nisolo voina.
Ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ny-fetinny-ray | Ny fetin'ny ray. | havotraniaina | Ny fetin'ny ray.
Zao no tsaroana, dia ny fetin'ny ray,
Arabaina ianao, ho tahian'ny Ray,
No indro fa mamelona indray,
Mba ho vonona hiatrika, hitraka indray.
Zao no tsaroana, dia ny fitiavan'i dada,
Miahy, mamelona, misaina ny ao andapa,
No adidy voatendry natolotry ny Avo,
No sanatria hanadinana raha lavo.
Za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/koa-raha-tsy-mitapy | KOA RAHA TSY MITAPY… | RRAG | KOA RAHA TSY MITAPY…
Ny marina fisaka ka saro-tadiavina…
Ny vava anefa, efa zatra mianiana.
Ka ny lainga hampangaina, no indro amboarina,
tsy ho taka(tra) ny sain’i Rabefanahiana.
Mitaona vahoaka hitaky fahafahana,
revo koa retsy dia manaraka ambokony!
Ny ady atao no mety hiarahana,
fa ‘zay vokatra eo, dia izy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nianatra-nitia | NIANATRA NITIA... | RRAG | NIANATRA NITIA...
Nianatra nitia, dia sendra ny voafila...
Naniry ny hiara-dia, toa voailika tsy nila...
Nizara izay ho mamy, nefa nigo-matsatso...
Dia ranomaso foana, nirotsa-tsy niato.
Nianatra nitia, sendra taola-mafy...
Niezaka nanaja, fa tojo mpampirafy...
Nigoka ngidim-piainana, nihevitra ho tafita...
Kin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hazo-ngeza | HAZO NGEZA | Fredy Jaofera | HAZO NGEZA
Ny teny, ravinkazo
fa ny asa re no voa
mamiko ho doria ;
raha ngeza ny hazo,
ataovy ao an-doha
fa nisy ilay fitia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indrisy...-18-aprily-2022 | INDRISY...! | RRAG | INDRISY...!
Finiavana ny anay, ny hahatonga azy ho ary,
hisy sy hitoetra, anilan-dRay sy Reny...
Fa hafa mihitsy ry aina 'lay laha-janahary,
nitondra fo hisaona, gina tsy hahateny!
Tsy takatry ny saina, ny soa hatolo-tanany...
Fa mety hahafoiny mihitsy, hahatramin'izay ananany!
Mbamin'ny tsy eny an-tanany!
Ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/sitraka | SITRAKA | MAZ RAMANA | Olo'niriako sy nitalahoako
Nanadinoako ny siakan'ny latsa!
Valin'ny vavaka feno ato ampoko,
Adin'ny fahatanorako mahantra.
Ilay efa nandrasako hatramin'ny ela
Ilay tena hatokisako tsy mba hiofo.
Sanatrian'ny vava na adinon'ny lela
Ho mandrakizay tsy hampirafy ny foko!
Sitrany foana izay kely nananako,
Izy no t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lela | LELA | Fredy Jaofera | LELA
Lelan'ny hendry
dia ao am-pony,
tsapa mikendry
ny tiany hitony.
Lelan'ny adala
dia eo am-bava
ka tsy mahalala
an'ity mandrava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-teny-sy-taniko-hanand | NY TENY SY TANIKO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | NY TENY SY TANIKO
hanandratra anao aho
ry taniko mamiko
hikalo sy hihira,
ireo sora-mandry
natosaky ny ainga
hivetso ireo teny
narafitra ho rima
tiako ho ren'ny tontolo
fa mamy ka mamy
ny mandre teny gasy
tsy kanto foronina
fa kanto natiora
avy tamin'ny Mpahary
ianao manan-talenta
no iriko ho mpikalo,
i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/literatioranny-torimaso | LITERATIORAN'NY TORIMASO | Fredy Jaofera | LITERATIORAN'NY TORIMASO
Literatioran'ny torimaso
ireo nofy mitranga
amin'ny alina tony
ka velomy ange, alefaso
fa tantara manga
misintona ambony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izaho...-25-febroary-2022 | IZAHO...! | RRAG | IZAHO...!
Tsy ilay be solaitra ilavi-pandinika
ka mety hanitsaka zava-tsy fihinana!
Fa 'lay vahoaka, kely sy bitika
finganin-kianjera am-panidinana!
Tsy ilay fatsora fetsy mpambotry vahoaka...
Tsy te hahalala ny ferin'ny hafa.
Fa 'lay mikendry izay mety, mba hahatafavoaka,
ho fitara-jinerin'ny zanaka amam-para.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanilo-r.-a/sento | Sento | Fanilo R. A. | Hhh...
Sento...
Sento sisa no azo ambara
Itazonan-dranomaso,
Anamaivanana ny fo
Hanadinoina ny tantara.
Sento...
Sento henik'alahelo,
Ratra lalina tsy zaka
'Tady hamela izato aina
Ho very ravina sy maina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/valiny-tsara | VALINY TSARA | Fredy Jaofera | VALINY TSARA
Fahamaizinana
ny lalan-tantara
vao nankahala ;
ny fanginana
no valiny tsara
ho an'ny adala. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanaovan-tsoa | FANAOVAN-TSOA | Fredy Jaofera | FANAOVAN-TSOA
Aza ketraka moa,
mbola ho avy ny vatsy
hitobaka lava ny maminy ;
ny fanaovan-tsoa
dia mandrava ny ratsy
fa tsy ny fiadiana aminy. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.