url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ilaiko-intsony | TSY ILAIKO INTSONY | Fredy Jaofera | TSY ILAIKO INTSONY
Tsy ilaiko intsony
ny hisisika ho any
fa mamin'ny fony
izaho very akany.
Tsy ilaiko intsony
ny hitady ny sainy
fa namely vavony
rehefa nolatsainy.
Tsy ilaiko intsony
ny hampiray fitia
fa tsy nampitony
ka saika nikodia.
Tsy ilaiko intsony
ny hitoky azy lava
fa namotika nony
nisy soa na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsara-kokoa | TSARA KOKOA | Fredy Jaofera | TSARA KOKOA
Tsara kokoa
ny fitiavan-dray
sy ny fitiavan-dreny
rehefa any an-koatra izy ireo
ka miravoa
fa marina izay,
na misento lavareny,
mila ho maloka eo no ho eo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/fanaonareo-mpanoratra | FANAONAREO MPANORATRA | Ravanondrazana | Teo am-pamakina ireo sangan'asanao
Tao anaty tambazotra aho
No zary velon-tsento, nahatsapa ho voadonan'
ny resa-pivavahana sy resaka finoana.
Avo lenta loatra sy manam-pandrosoana
ny fitiavana, hoy ianao...
Teo am-pamakina ireo asa soratrao aho
no saika hamela hafatra, hamela teny kely.
Kinajo lasa nihitatra, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/saropiaro | SAROPIARO | Ravanondrazana | SAROPIARO
Izaho moa efa anao o?
Dia ahy ianao malala!
Ahy ianao no fantatro
f'izaho tsy te ahalala,
izay teny ankoatr'izay.
Tiako ianao dia izay!
Tiako noho ny antony
mazàna averimberiko...
Na dia saropiaro aho,
Ny fahasambaranao no sitrako sy teliko.
F'ianao 'lay nofidiko e!
Ahy ka tsy atakaloko;
no sady ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ny-lasa-niarahana-leitsy-a | NY LASA NIARAHANA LEITSY A | Fidy Art Niaina | Ny lasa niarahana leitsy a!
Finamanana mamy tokoa
Isika tsy mba nifametsy
Fa isika? nifanasoa
Kanefa androany r'ise a!
Tovovavy iray no nampiady
Ekeko ialahy tiany anie
Fa anjaranay angamba ny hivady?
Tsy hoe naka ny anjaran'ialahy
Fa tiako izy ary tia ahy koa
Niezaka aho tsy naka fanahy
Saingy izy no nibabo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fon-dreny | NY FON-DRENY | Fredy Jaofera | NY FON-DRENY
Ny fon-dreny
dia mahazaka foana
noho ny sain-dray
rehefa maditra ny ankizy ;
na tsy miteny,
dia toa voamboana
ny fitia mivaivay
mbola marina izaitsizy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/avy-ao-aminao | AVY AO AMINAO | Fredy Jaofera | AVY AO AMINAO
Ny hasambarana
dia avy ao aminao
fa tsy avy any an-kafa
tsy mety mifarana,
na inona aza atao
rehefa jaly no voafafa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/jehovah | JEHOVAH | Fredy Jaofera | JEHOVAH
Jehovah dia tsara
noho ny ray sy reny,
hoy izahay kamboty,
fa Izy moa dia Hara
azo antoka ombieny
raha misy soa voaoty. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/trano-rava-2.0 | Trano rava 2.0 | MAZ RAMANA | Saika hataoko fanahy iniana tsy ho tadidiana intsony,
Mba tsy hiparitahan'ny fofom-bobongolo,
Fa nandà ny fahatsiarovana!
Laingako amin'ny tenako, fa mbola ireo akory
Manetroka, manaloka ny saiko manontolo
Ireo sisambain'afo,
Tao am-patana nilaozana!
Saika tsy hihira fitiavana intsony aho,
Handevina ny foko ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/atambatry-ny-fiainana | ATAMBATRY NY FIAINANA | Ravanondrazana | ATAMBATRY NY FIAINANA
Fony mbola tao am-bohoka ity vadinao malala...
[...] Andraso mihitsy aloha,
Aleo ianao mba miankina; miondana ny tratrako hanohizako ny resaka.
Etsy koa banjino izato fara-vodilanitra voaravaky ny hakantony.
[...] Rehefa vita izay dia... Fantohy ianao malala!
Fony tao am-bohoka aho no efa ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mahavalalanina | MAHAVALALANINA | Ravanondrazana | MAHAVALALANINA
Ry Tompo be fitia ô!
Miangavy an-tànan-droa mba jereo izahay etÿ.
Omeo anay raha mety izay anjara masoandro
Natokanao ho anay. Valalanina izahay...
Ketraka sy reraky ny tolona isan'andro!
Kanefa na dia izany, izahay tsy hoe manery a!
Satria Ianao mpandahatra, mpitarika mahery:
Manana ny lamina ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/trano-rava | TRANO RAVA | MAZ RAMANA | Saika noravahako ho tantara an-tsoratra
Ity tononkalo ity, fa nihisatra ny vava,
Nifamatotra ny rantsako!
Folo taona katroka, nampivarahontsana
No hotehirizin'ity trano haolo rava
Nirodana ambongadiny
teto am-pelantanako.
Raha tsy nisy mantsy ny fototra niarahana,
Ka tsisy ahidratsy niarahana nanàla,
dia tsy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lesona-sy-ohatra | LESONA SY OHATRA | Fredy Jaofera | LESONA SY OHATRA
Ny literatiora
no andraikitra velona
misy isan'ora
ilain'ny olombelona
ho lesona sy ohatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/sitraka | SITRAKA | Ravanondrazana | SITRAKA
Sitraka sy telina izay vitanao rehetra!
Sitrako daholo ny fomba sy ny toetra
maha ianao anao hatramin'ny fahiny.
Sitranao ny foko tamin'ny isika niaraka iny.
Sitranao ny nofoko nararin'ny hetaheta.
Sitraka a! ianao, no nanova ho poeta! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/efa-nolazaiko-anao | EFA NOLAZAIKO ANAO | Ravanondrazana | EFA NOLAZAIKO ANAO
Holazaiko androany ity tsiambaratelo ity.
Raha misy tovovavy: iray, na roa, na telo,
na folo na roapolo milahatra manoloana.
Samy anaty akanjo :"tsy dia manahoana"
Samy natoraly mba tsotsotra eo daholo!
Hinoako marimarina amin'ny foko manontolo:
Misy iray ao tsapa mahafehy ny fotoana;
Mahavit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/hafa-hoy-aho-ianao | HAFA HOY AHO IANAO | Ravanondrazana | HAFA HOY AHO IANAO
Feo malefadefaka miritsoka ao an-tsofina
mandona ny fanahy,
no indro izao fa henoko
mampangorintsina ahy
mihanoka ity alina mangina dia mangina...
Eto aho no mahatsapa fa mbola hafa ihany
ny anilan'ny olon-tiana.
Paradisa an-tany tsy fantatro hofaritana fa,
Toa mangetaheta hioatra sy handing... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fananam-pirenena | FANANAM-PIRENENA | Fredy Jaofera | FANANAM-PIRENENA
Ny tenindrazana
dia fananam-pirenena
tokony hotandremana :
tsy mampisara-bazana
fa mampiray hibabena
ny anjara fahalemana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/hitia-anao-tokoa | HITIA ANAO TOKOA | Ravanondrazana | HITIA ANAO TOKOA
Manombok'eto dia...
Vonona aho ny hanaja
Ny voadintsika roa.
Vonona aho ny hamafa
Irony lasako taloha.
Vonona aho ny hamela
Anaty fandeferana.
Vonona hatry ny ela tsy
Hijery izay miserana.
Vonona amin'ny sarotra
Ahazaka izay manjò.
Vonona aho ho matotra
Sy hitia anao tokoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manaitra | MANAITRA | Fredy Jaofera | MANAITRA
Misy ny toky
tsapa mahalaza
ny hetaheta malaky ;
misy ny boky,
na dia ratsy aza,
manaitra mpamaky. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/iarisoa | IARISOA | Ravanondrazana | I.A.R.I.S.O.A
Inoako marimarina fa sambatra ianao any
Ary koa mahatsiaro ny datin'ny andro anio
Rehefa niady mafy. Ka tratry ny androany,
Izay tsingerin-taona nahaterahanao toa io.
Soa ianao kanefa, dia rariako soa hatrany,
Omen'ny Ray harena sy ny vatana tomady
Ahazo fahendrena, fahalalàna enti-miady,
Amin'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/onintsoa-fanah | OMEO | Ravanondrazana | OMEO
Omeo mba hofihiniko, ity vatanao malala!
Ny loha aleo hitràka dia akimpio ny maso.
Ianao io mody fanina, kanefa haiko tsara!
Ny zavatra tadiavin'ny raozy saika halazo
Tao anatin'ny alahelo -nahazo anao tatoato-.
Soa ihany anefa ianao mba tena hoe nitia!
Olombelona maditra, matetika mania aho.
Ary moa impir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miangaly-teny/sarisary-nofy | SARISARY NOFY | Miangaly Teny | Jereko ilay lanitra mirava-bolamena
Volafotsy, vato soa, harena sesehena
Tazaniko ny vohitra mihaingo safira
Sy mikalo ho an’ny tany karazan-kira
Dia ilay nofy tato an-tsaiko, tonga sarisary
Sarisary misy tsiro, mamy noho ny fary
Ny nofo sy ny tena indro indray nitsonika
Nanaraka ny ony : tsy sanatria hoe rotik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/any-izay-izy-any | ANY IZAY IZY ANY | Ravanondrazana | ANY IZAY IZY ANY
Any izay Ambato...
Tanàna iray nofisiko isak'alina tato ho ato.
Isaky ny mihetsika aho toa lasa saina any
Mamelovelo foana hila hirotsaka tomany!
Any izay Ambato sy ny fombafombany ao.
Hafa tena miavaka amin'izao tontolo izao
Ny fahendren'ny ntaolony tahafina ankehitriny.
Tanàna mahatamàna maha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tabiha | TABIHA | Fredy Jaofera | TABIHA
Adidy ny mitia
ny tenindrazana
tsy hanimba saina
fa mbola tabiha
azo amohazana
ny kanto maraina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/avo-lenta | AVO LENTA | Ravanondrazana | AVO LENTA
Hafahafa izy iny,
Mikalo ny fahiny dia mihira ny ankehitriny.
Raha hanoratra ho azy ianao dia izao no tadidio.
Aza alefa any,
Raha soratra kely,
Natao vonjimaika no atolotrao ho azy.
Aza alefa any,
Raha natao an-tery,
Tsy avy amin'ny fo fa noraisinao sazy.
Aza alefa any,
Raha hafatra moana,
Manala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misoko | MISOKO | Fredy Jaofera | MISOKO
Misoko mangina
toa ranom-panala
ny fitiavako anao
ka raha ampiana,
tsarovy, malala,
fa hita mihavao.
Misoko mangina
toy ny masoandro
avy any atsinanana
maneho fifaliana
mbola isan'andro
ka tsy sakanana.
Misoko mangina
toy ny voninkazo
teny an-jaridaina
ka mahasondriana
no tsy mba halazo
rehefa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aloky-ny-lasa | ALOKY NY LASA | Fredy Jaofera | ALOKY NY LASA
Ny aloky ny lasa
dia tsy hampipika
ny jiron'ny hoavy
fa afa-mampiasa
ny ora hanjopiaka,
na tsy miangavy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahatsorana | FAHATSORANA | Fredy Jaofera | FAHATSORANA
Ny fahatsorana
dia endri-piainana
tsy ananan'ny maro
ka tsara hisalorana,
lavi-panaintainana
ombieny ka ianaro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soloy | SOLOY | Fredy Jaofera | SOLOY
Soloy ny voa hafafy
dia hiova ny hojinjaina
raha mitady fivoarana ;
ho tantara ny nihafy,
ho soa no arahabaina
vao eny am-baravarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitia-rano-trambo | FITIA RANO TRAMBO | Fredy Jaofera | FITIA RANO TRAMBO
Fitia rano trambo
no niainako tany,
nidingan-drambo
vao ritra na lany.
Fitia rano trambo
'zay tsara ivelany
ka azon'antambo
vao eso ny lelany.
Fitia rano trambo
nataoko haharitra
kanefa dia lambo
nitrongy faritra.
Fitia rano trambo
tsy noeritreretina
ka lasa ny sambo
tsy hisian'aretina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tenindrazana | TENINDRAZANA | Fredy Jaofera | TENINDRAZANA
Ny tenindrazana
no harena sarobidy
toepanahin'ny tany,
zary fahombiazana
rehefa injao safidy
ny hiteny azy izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misalasala | MISALASALA | Fredy Jaofera | MISALASALA
Ny teny vahiny
no tonga ao an-tsaina,
ny tenindrazana
no tonga ao am-po
rehefa hiresaka ange
misy ankehitriny
raha mila hazavaina,
na dia tsy tazana
ny tebiteby manjo
vao hiteny eto re !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/narary-ahy | NARARY AHY | Fredy Jaofera | NARARY AHY
Narary ahy ny vava
tsy hainy natsahatra
ka tsy nisy mazava
ny anjara sy lahatra.
Narary ahy ny teny
nanindrona marina
ka moana ombieny
fa satriny hivarina.
Narary ahy ny fosa
namono ny kintako
ka nandositra kosa
fa ratsy ny vintako.
Narary ahy ny ady
tsy tiany naravona
ka nanao aza fady
fa ol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/folaka | FOLAKA | MAZ RAMANA | Enga anie ho ampy
...hamolaka ny tanako ny kapoky ny lasa.
Mba hangirifiry anie...
...ny tongotro nidona, ka hivily lalankafa.
Enga anie ho takatro...
...amin'izay ny votoatin'ny tena antom-piainana.
Mba hahay hitraka...
...ny soroka aman-tenda vokoky ny fanaintainana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tononkalo | NY TONONKALO | Fredy Jaofera | NY TONONKALO
Ny tononkalo
dia tenindrazana
ho an'izao tontolo izao,
sarotra atakalo,
na tany ngazana
no misy azy ka hajao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manadino | MANADINO | Fredy Jaofera | MANADINO
'Zay manadino ny tenindrazany
dia manadino ny soatoaviny
ka ho very hasina tanteraka :
ho nofinofy ny hahombiazany,
hanjavozavo itony hoaviny
ary hita ho olona miveraka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/hafa-ihany-i-neny | HAFA IHANY I NENY | Ravanondrazana | HAFA IHANY I NENY
I neny aloha tsy lohany ao anaty tokantrano...
kanefa dia voalohany tena hoe sarotiny amin'ny zavatra rehetra
Fa kosa mora halamina.
Mazàna koa mitsetra...
Marary hila ho fanina raha sanatria ny tiany no iny fa solafaka.
I neny ilay maharaka ny fiainana ao an-trano:
Fantany amin'ny endrika
rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-nisy-fitia | RAHA NISY FITIA | Fredy Jaofera | RAHA NISY FITIA
Raha nisy fitia
no namolavola,
netinety ny dia
sy feno angola.
Raha nisy fitia
no notolorana,
izao, matokia,
azo nitsorana.
Raha nisy fitia
no nanafosafo,
tsy mba nahia
fa nahazo tafo.
Raha nisy fitia
tena nahaliana,
ny foko nangia
tam-pifaliana ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-mpialona | NY MPIALONA | Fredy Jaofera | NY MPIALONA
Ny mpialona ange
dia ny olo-mandrava
ny tsy hay atsangany
ka isaky ny mandeha
dia mandranitra lava
fa tsy hita ny sangany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/noho-izy | NOHO IZY | Ravanondrazana | NOHO IZY
Matoa aho mijoro sy velona eto ihany !
Matoa koa misoko ny embon-tsy lany
Dia noho i dada any lavitra any...
Matoa aho mikalo dia fetiny androany.
Matoa aho salama... I dada mpitsabo !
Manasitrana foana raha misy mahazo;
Manefy anay zanany hiafy sy hitolona.
Matoa aho tafita dia i dada no sorona.
Mato... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/iriko | IRIKO | Fidy Art Niaina | IRIKO
Iriko lala tsy ho endrika sy harena no hitiavanao ahy
Iriko dia iriko ianao hobaboiko amin'ny toetra sy fanahy
Mantsy, raha endrika iveliny no hahasodoka anao; ahiako mbola mety hifindra
Raha tojo tsaratsara dia any ianao no hibitsika ilay hoe "ianao tiako indrindra"
Lala o! ny vola sy harena leisy samy tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nahary-andrianiarivo/zanakiza | Zanak'iza? | Nahary Andrianiarivo | Zanak'iza ireny
Mirenireny ireny?
Mitetitety fiara
Mangataka eny ho eny!
Fa mba zanak'iza ireny
Misakaiza daba-pako?
Mitsidroka maloto
Vao afa-misakafo...!
Fa mba zanak'iza ho'aho ?
Jereo Ty fijaliany,
matoritory foana
Amin'ny làlana iny!
Soa ihany fa tsy votsa!
Mamy ny aina ka iadiny
Izay afaka ivelomany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/aminilay-misy-sa-aminilay-tsisy | AMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY... | hjravs | Tsy hoe ianao no tsy tiany a!
Raha izao bika aman'endrika izao no holavina
na tsy ho tiavina,
dia tsy hay ny handikàna
ny hoe hatsarana!!!
Ka... Tsy ianao no tsy tiany,
(Tsy 'zay tiany no tsara!)
fa efa nosokajiany
any anatin'ny lisitry ny maramara
ny lokon'ny toetra:
'Lay midy bonaika tsy tia setrasetra
fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/mialoha-ny-hilazna | MIALOHA NY HILAZÀNA | AnjaraNivo | MIALOHA NY HILAZÀNA
Mety mbola hivadika ny fiainana any aoriana,
Ka aza mba tsiniana ny ahy fa fo manafatrafatra:
Mialoha ny hilazàna teny iray fanambaniana
Dia manontania tena aloha raha efa tonga lafatra!
Mety mbola hanjavona ny anananao anio,
Ary izay ambany androany mety mbola ho tafita.
Manan-jo hirehareha ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misinda | TSY MISINDA | Fredy Jaofera | TSY MISINDA
Tsy misinda ny rahona
fa mivadika ho orana
mandena ny tany
vao tadidy iny vahona
tsy maintsy nizorana,
nampisy tomany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vahatra | VAHATRA | Fredy Jaofera | VAHATRA
Ny sento dia toy ny tselatra
toa miantso ny orana ho avy
rehefa misy tsy mitsahatra ;
ny rahona tsy afa-mivelatra,
ny andro mila hampanavy
fa tsaroana eto ny vahatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mainka | MAINKA | Fredy Jaofera | MAINKA
Ny very zava-tsoa
tsaroana mahory
mainka fa ny reny
tsy manam-paharoa,
mpandrava sorisory
no ambara lavareny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misaotra-ny-maraina | MISAOTRA NY MARAINA | Fredy Jaofera | MISAOTRA NY MARAINA
Misaotra ny maraina
mitrotro ny hafaliana
ka tiako harahabaina
mbola hisy fitahiana.
Misaotra ny maraina
maneho ny hatsarana
mazava tsy hazavaina
mamoha fanantenana.
Misaotra ny maraina
isan'andro vaky izao
mamelombelona aina
mitory adidy vaovao.
Misaotra ny maraina
mandroso fiadanana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ray-aman-dreny-tsara | NY RAY AMAN-DRENY TSARA | Fredy Jaofera | NY RAY AMAN-DRENY TSARA
Ny ray aman-dreny tsara,
fitahiana ho an'ny zanaka
rehefa mahay mikarakara
azy ireny, na dia lanaka !
Ny ray aman-dreny tsara,
diamondra tsy azo asolo
rehefa indro fa mandrara
ny mamely anao daholo.
Ny ray aman-dreny tsara,
andry marina eto an-tany
rehefa vonona ny hizara
ny sedranao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/jiro | JIRO | Fredy Jaofera | JIRO
Ny fitiavan'ny reny
no jiro tadiavina
hanilo ny fiainana
izay aho vao hiteny
fa dia hosoavina
ny mafy itarainana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ny-fitiavani-neny | Ny fitiavan'i Neny | havotraniaina | Ny fitiavan'i Neny,
moa tsapanao ny ao an-tsainy,
fa trotraky ny fiainana,atompan'ny tany,
tsy maintsy reseny,raha mbola eto an-tany.
Ny fitiavan'i Neny,
moa tsapanao ny ao am-pony,
mitempo mangina,vesaran'ny tomany,
tsy maintsy fafany,hiposaka indray andro any.
Ny fitiavan'i Neny,
moa hainao ny tena fitiavany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-mitady | IZAY MITADY | Fredy Jaofera | IZAY MITADY
Izay mitady ny avana
dia mila ny orana
hilatsaka aloha ;
izay mitady fitiavana
dia saika torana
vao faly tokoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/literatioranny-maso | LITERATIORAN'NY MASO | Fredy Jaofera | LITERATIORAN'NY MASO
Ny fakana sary
no literatioran'ny maso
misy kanto lalandava
mampiharihary
fa na eo ireny ankaso,
tototra ora manazava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy/ny-reny-ve- | NY RENY VE ? | Fredy Jaofera | NY RENY VE ?
Tsy mba olona mifosa
rehefa ketraka sy osa...Ny reny !
Tsy mba olona manary
rehefa resy sy marary...Ny reny !
Tsy mba olona manozona
na mitia an-terivozona...Ny reny !
Tsy mba olona mandatsa
na tsy tia raha tsisy patsa...Ny reny !
Tsy mba olo-manadala
na hotiavina na hala...Ny reny !
Tsy mba olo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/inay-aho | INAY AHO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | INAY AHO
inay aho tsy nilaza
ireo tsiambaratelo
nokoboniko hatrizay
fa nafeniko hatrany
inay aho tsy nivolana
ny rediredim-poko
izay naborako avy hatrany
hipololotra avy eo imolotro
inay aho tsy nibanjina
ny masonao mamitaka
namatotra ny jeriko
tsy hiala eny aminao
tsapako,
fa ny hatsaràna eny aminao
dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-reninay | NY RENINAY | Fredy Jaofera | NY RENINAY
Ny reninay izay any an-danitra
dia efa eo amin'Andriamanitra,
mitahy mangina ho haravoana
tsy ny tebiteby no hisy etoana
fa ilay fiadanana azo antoka,
na rahoviana ka mifantoka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adel-rakotomalala/hataka | Hataka | Adel RAKOTOMALALA | Andriamanitra ô,raha mbola toy izao foana
Dia aringano ny olona eto,
Ka soloy olom-baovao
Aza avela hisy hiangana,
Mba ho foana hatreo ny sento
Amin'izao tontolo izao
'Reo be galona mpanambaka
Ny mpisoloky na mpangalatra
'Reo milaza fa mpanjaka
Tsy mahay maneho fa hoe fitaratra
Adabohy mba hianjera
Avelao hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-rahona | NY RAHONA | Fredy Jaofera | NY RAHONA
Tsy misinda ny rahona
fa mivadika ho orana
mandena ny tany ;
indraindray iny vahona
tsy maintsy nizorana,
mitondra tomany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/oram-panahy | ORAM-PANAHY | Fredy Jaofera | ORAM-PANAHY
Ny ranomaso
no oram-panahy
mikija mangina ;
mamoha ankaso
nanahirana, lahy,
raha hadihadina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-kamboty | TSY KAMBOTY | Fredy Jaofera | TSY KAMBOTY
Tsy kamboty
ny maty ray
fa ny maty reny :
miaina angoty
mandrakizay
sy tretrika eny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-poety-2 | NY POETY | Fredy Jaofera | NY POETY
Ny poety dia mampiasa
ny orana
hampiteny ny avana
hiova amin'izay ny lasa
ka hizorana
ny lalam-pahasoavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/omeko-anao-daholo-izay-ts | Omeko anao daholo izay ts | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Omeko anao daholo izay tsara rehetra rehetra
Fa ny tsara rehetra anefa ve misy fahataperana
Fa raha tany koa ny tany izay mety ho fanaperana
Dia hanomezako anao, ho anao tsy misy fetra
Omeko anao daholo izay mamy tena mamy
Fa ny mamy koa ve mety mbola hisy fitsaharana
Fa raha aina koa ny aiko tsy hitandroko hasa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ry-tenindrazako | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/ialahy-ambany | Ialahy ambany | cedric tolojanahary | Ialahy ambany...
Ny fiainana eto zandry!
Ny eto misy foana ny zava-manahirana.
Misy koa ny ambony,natao ho faminkirana.
Ireo manan-katao,miambo tsy amin'ny rariny.
Ireo tsy manamanana,lazainy fa ambaniny.
F'izany foana ny eto e!
Misy ny mahantra,dia misy manamanana.
Misy ireo mitrongy vao mahazo ny eo antanana.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miangaly-teny/raha | RAHA... | Miangaly Teny | Raha toa ianao mahatsiaro
Na manembona ny amiko
Ny rahona jerena dia
Ho hitanao ny sariko
Raha toa ianao hanafatra
Na hampitondra koa fitia
Lazao ny limohy
Fa tongany aty
Raha toa ka malahelo
Ny tsiky sy ny molotro
Mitarafa ianao Malala
Fa ao ny tontoloko
Raha toa ka te haheno
Ny feoko re ry tiako
Raiso n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/hanam-bady | Hanam-bady | Nosy Malala | Hanam-bady,
Tapakevitra hanam-bady,
Hisafidy hanao voady.
Handresy hatrany ny adiady,
Ka hibanjina ny ho avy.
Fanekena sarobidy,
Vonona hiatrika adidy.
Ny fo sy saina efa nifidy,
Fitiavana tsy voavidy.
Safidy, lahatra sy anjara.
Hifampikolokolo, hamela tantara.
Hiara hamboatra tontolo tsara,
Hikolokolo'r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-mahory | REHEFA MAHORY | Fredy Jaofera | REHEFA MAHORY
Rehefa mahory
ny fahatsiarovana
dia tsy tafatory
no sady torovana.
Rehefa mahory
ny tsiky tsy foiko
dia manorisory
'lay sento misoko.
Rehefa mahory
ny vazo niarahana
dia fotopotory
fa indro mibahana.
Rehefa mahory
ny mamy nitoetra,
dia eto mamory
mangina ny tsetra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miangaly-teny/efa-tara-loatra | EFA TARA LOATRA | Miangaly Teny | Eto an-tokotany aho
Manisa moramora
Ireo vitsika mandalo
Mitady izay harapany
Dia mahatsiaro anao
Nifindra toeran-kafa aho
Nikitika finday
Nahita sarisary
Dia nalahelo anao
Ka tsy nahatana ranomaso
Nisento tsy ankijanona
Nanaikitra ny hanina
Mahatsiro ny taloha
Ny fiarahantsika roa
Nefa indrisy fa tsy anj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-ar-niaina-sy-mino-ramahefa/azy-ianao | AZY IANAO | Fidy Art Niaina sy Mino RAMAHEFA | Ny tranonao nidirany tiako hivantanana
Ny dobonao nilomanosany no tiako hirobohana
Ny tananao fikiriny tiako hotantanana
Ny molotrao notohofany no iriko koa horohana
Saingy efa azy ianao...
Azy ianao ry tiana a!
Ny ranao sy ny azy no efa mikoriana...
Ny fo mitempo iray;
Ny saina zary tokana
Loatra toa sondrian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/zarainy | Zarainy | Nosy Malala | Zarainy,
Tazoniny ho azy irery,
Tsy zarainy velively,
Ny ratram-po mangeja,
Ny lalana mideza.
Tazoniny ho azy irery koa,
Ny adi-tsaina, zava-manjo.
Tsy hampalahelo olo-tiana,
Aleony hatrany hoe mangina.
Ny tsy fisiana ao antrano,
Tsy tantarainy toy ny angano.
Ka zovy ny hangataka na hitalao,
Miandrandra hat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/fiainana | FIAINANA | samiir lien'ju Rafaralah | Sambatra raha samy sambatra ialahy
Nanana azy ho anjely mpiahy
Mpiaro amin'ny ratsy sy loza rehetra
Ny asan'ny maizina etsetra etsetra.
Fa sambatra raha samy sambatra koa
Ny olona tsotra sy madio am-po
Izy ireny no atao hoe tena tia
ilay mparadia an'i kristy.
Tandremo anefa ireo namana sasany
Izay manentana s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsaroako-foana | TSAROAKO FOANA | Fredy Jaofera | TSAROAKO FOANA
Tsaroako foana
ilay isika sambatra
vao manoloana
toy ny manangatra.
Tsaroako foana
ilay isika niara-dia
vao eto moana
malahelo ilay fitia.
Tsaroako foana
'reo ora nahamaina
tena nahanoana
fony isika nangaina.
Tsaroako foana
'reo ranomaso maro,
tsy hay ahoana
fa sento mifangaro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miangaly-teny/kamara | KAMARA | Miangaly Teny | Ilay raozy mavokely
Nanintona ny foko
Tsy tsara velively
Fa maramara loko
Ilay paoma tsara endrika
Nisarika fanahy
Tsy mamy akory kay
Fa poizina ho ahy
Ireo teny izay nambabo
Ny foko sy ny saiko
No indro saika handavo
Nanala izato aiko
Soa ianao Malala!
F’ indrisy ianao kamara
Mora miova loko
Ka nanimba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/voageza | Voageza | Vetso mena | Voagejan'ny lasa ny fiainako
Ka tsy hahita ny ho aviko hamiratra
Nefa izany tsy tiako hihitatra
Hany ranomaso no sisa fitarainako.
Voagejan'alahelo ny saiko, ny fanahiko
Ka tsy mahita akory ny fahasambarana
Hany ka fo maratra no hany mba hananana
Toa sakana ho ahy, noho ireo safidiko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/aminy | Aminy | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Aminy
Aminy ny fitiavana tsy banga ho fenoina,
Fa fetra feno amby, ampy ho zaraina.
Ho laniana dieny andro misy tiana ho koloina:
Izy no andry fianteherana raha misy ny taraina.
Aminy ny fitiavana tsy mba misy fanerena,
Ka any aoriana any hisy ora ahalatsa-panenenana.
Tsy sendra mba hitia, ka tsy mahay mitia ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/iza-iza-no-filoha-tet | Iza ? | Nosy Malala | Iza ?
Iza no filoha teto Madagasikara,
Rehefa nasorina ka voatery niala,
Mbola tafaverina hoe hanatsara,
Aleo ny tantara no hanambara...
Raha valopolotaona ny andro iainana,
Tsisy mangirana mihitsy ny fiainana...
Ireo filàna fototra ohatran'ny rafy,
Isan'andro dia miaina ambanin'ny miafy.
Ireny filoha ireny ih... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/milla | Milla | R.N Randriii | MILA NY
Aloaka ho lasa teny,
Aloaka ho lasa tranga,
Aloaka ho lasa seho.
Injany izy reko tsaika,
Injany izy reko safo,
Injany izy reko doana.
Te ho eo anilanao,
Te ho eo akaikinao,
Te ho eo ambavanao
Iriany mafy ny tianao,
Iriany mafy ny ekenao,
Iriany mafy ny anao.
Fitia milamina tsy maika,
Fitia m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/tsy-voasolo | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/takariva | Takariva | Jean NARIVONY | Tazanina iry vodilanitra mavo,
Zay hany tratry ny masovoafetra,
Jerena Lavitra manjavozavo,
Ka ory ny saina, ny vava mitsetra.
Manidina irony tsiriry mihoatra,
Mamela veloma ombieny ombieny:
Ny tany hodiany tsy fantatra loatra,
Kanefa ny saiko dia Lasan'ireny !
Ny raho-madinika miara-misosa
Finaoky ny rivotra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/misy-lamozika | Misy lamozika | Nosy Malala | Misy lamozika,
Misy lamozika,
Mambambo avy hatrany,
Misintona hitomany,
Mahalasa vinany.
Misy lamozika,
Manindrona ny fo,
Tsiahina ireo taloha.
Mandroaka ambompo.
Misy lamozika,
Mampitsangana handihy,
Manaboraka fitia,
No atolotra andry. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/fifamelna | FIFAMELÀNA | AnjaraNivo | FIFAMELÀNA
Na misy aza hetraketraka navelan'olon-kafa,
Ny lolom-po anaty mira ratra ho an'ny tena;
Ka aza maka aretina amin'ny fiainana efa lasa
Fa ny tokana fanefitra ho anao dia mifamela.
Endri-pahendrena sady mendri-pideràna
Moa toetra azo hianarana volena ihany koa
Ny toetra mankamamy sy mitia fifamelàna
Fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/fahendreny | FAHENDRENY | RASOA | Tena misy fahendrena
Ilay tovovavikely
Nijoro tsy nivena
Maro be ireo namelively
Tena misy fahendrena
Ilay razazavavy
Nanaiky ny tsy ekena
Tsy natahotra ny ho avy
Mbola misy fahendrena
Ilay ramatoa
Nijoro, tsy sorena
Na dia mbola miloloha
Noho ny fahendreny
Jereo ravaviantitra
Fa hinoan- teny
Miadana fin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tsy-nisalasala | TSY NISALASALA | RASOA | Misalasala foana aho
Amin'ny zavatra hatao
Tsy mety mihitsy tapak'hevitra
Fa toa mandroso sy mihemotra
Maka ambony, maka ambany
Tsy mitsaha- manontany
Indraindray dia mahasosotra
Fa maro be ny zava-botsitra
Satria hilaozako mihenahena
Rehefa avy eo aho dia manenina
Na ny tany na asa
Dia lasan'olon-kafa
Eny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/miov | MIOVÀ | RASOA | Efa taona misimisy
No tsy nisy teny mamy intsony
Tena tsapako mihitsy
Levilevy tsy misy tony
Koa tsy ny teny tsara vitsivitsy
Izay hatorakao indraindray
No hamerina indrisy
Ny fahatokisako hatrizay
Fa manasa anao aho hanitsy
Ireo fihetsika tsy mendrika
Isan'andro tsy hitsitsy
Amin'izay isika tsy ho rendrika
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-manan-katezerana | TSY MANAN-KATEZERANA | Fredy Jaofera | TSY MANAN-KATEZERANA
Tsy manan-katezerana
ny manam-pahendrena
raha olom-piheverana
mahazaka ny mivena.
Tsy manan-katezerana
'zay manam-pitiavana
fa indro maka toerana
dia mangina, rahavana.
Tsy manan-katezerana
'zay manam-piravoana,
na mivimbina fitserana
sy voan'ny fandotoana.
Tsy manan-katezerana
'zay m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/safidim-pirenena | SAFIDIM-PIRENENA | Fredy Jaofera | SAFIDIM-PIRENENA
Safidim-pirenena
ny zava-mitranga ;
safidy mahonena
nefa miampanga.
Safidim-pirenena
ny tabataba misy ;
safidy nambolena
ny lainga, indrisy.
Safidim-pirenena
ny manadala lava ;
safidy tsy nomena
ny jiro hanazava.
Safidim-pirenena
ny tebiteby tonga ;
safidy nampihena
ny laza sy kilonga. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mpanofa | MPANOFA | RASOA | Mpanofa fotsiny aho
Amin'ity fahasambarana
Tsy mahatapak'hevitra
Na mitohy na mifarana
Ianao ihany koa
No tompon'ny fanalahidy
Ny famerana ny fepetra
Dia tsy ahy ny safidy
Raha sanatria aza aho
Tsy manaraka ny fifanarahana
Eo ny eo ihany hoy ianao
Dia hajanona tapahina
Ka na dia tiako aza
Ny mbola hialokal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy/aza-ifikirana | AZA IFIKIRANA | Fredy Jaofera | AZA IFIKIRANA
Aza ifikirana
'zay mankarary
sao sahirana
ka tsy hanjary.
Aza ifikirana
'zay mampijaly
f'azo idirana
ny ora mahafaly.
Aza ifikirana
'zay manorisory,
handosirana
vao hahita tory.
Aza ifikirana
'zay isalaslana,
mahamirana
raha vao ialana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sakfon-tsaina | SAKAFON-TSAINA | Fredy Jaofera | SAKAFON-TSAINA
Sakafon-tsaina
ny vakiboky
atao ka maneho
fa zavatra ilaina
vao misy toky
ny hay, ry zareo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/satrinay-ianao | SATRINAY IANAO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | SATRINAY IANAO!
satrinay poeta,
ianao mianoka hatrany
ny kalo tsara rindra
satrinay poeta
hizara hatrany hatrany
ny kanto tsara indrindra
ny tanjonay poeta
dia ny hitondra anao
hitety ny habakabany
ary sitrakay poeta
ny ho eo anilanao
hampiaina ny tantarany
maminay poeta,
ianao ilay mankamamy
ny antsa to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/sary-indray-miserana | SARY INDRAY MISERANA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | SARY INDRAY MISERANA
any izay ianao
r'ilay tazako an-tsary
tanaty tambazotra
ilay nahasambatra ny masoko
ilay nampientana ny foko
toa mampirisika ahy
hitia anao mangina
ny tsikinao an-tsary
taratry ny kanto
mantsy,
babonao tanteraka,
ny foko manontolo!
ny endrikao jerena
madera toy ny raozy
rakotra hatsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miangaly-teny/vehivavy | Vehivavy | Miangaly Teny | Voninkazo tsara endrika
Mpandravaka tontolo
Kintana mpanaingo
Ny lamban'ilay lanitra
Loharanom-pitiavana
Mahay mikolokolo
Andry fiankinana
Meva mahafinaritra
Raha ny vehivavy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miangaly-teny/iny-tsikiny-iny-volana-s | Iny tsikiny iny | Miangaly Teny | Volana sy kintana
firavaka ny lanitra
Ny soratra sy teny
Firavaky ny boky
Ny maso ihany koa
Hono mahay misarika
Manambara ny ao am-po
Na aza tsy miteny
F'iny tsiky sosontsosona
Mahasosotrosotr' iny
No nentin'i Malala
Nivahiny tato anatiko
Iny tsikiny malefaka
Tsy mahafinaritra iny
No fitana fampiasany
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tsena | TSENA | RASOA | Olona mifanaretsaka
Tena mifanitsa-kitro
Tsy mitsahatra miresaka
Ny anio sy ny ampitso
Manampy koa ny mpivarotra
Miantsoantso ireo mpividy
Tena hita mihitsy fa mikaroka
Mitady hamily ny safidy
Betsaka ny olona tsy fantatra
Nefa matetika mifanena
Dia arahabaina tsy mihaotra
Hatao ahoana ny hienaena
Tazako ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mianga/aoka | AOKA | Miangaly Teny | Aoka ianao hitoetra
Fa nafoiko ny rehetra
Noho ianao rahavako
Dia aoka ianao hanolotra
Fitia tsy an-tendromolotra
Tsy hahafoana ny fitiavako
Dia aoka ianao hanaja
Ireo voalazain'ity vava
Dia hitoetra aho tsy handao
Ary tena hivonona ho anao
Fa raha mety ianao...
Dia aoka ianao ry foko
Hanomana fonenana
Hit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-sarinao | NY SARINAO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | SARINAO
ny sarinao
toa sariaka,
mipariaka,
anaty tambazotra
maontina sy tsotra
manintona ny maro
saingy izao fantaro
tsy izay tia mizara
no lazaina tena tsara
tsy izay rehetra manja
no manana ny lanja
fa asio fetrany ihany
fa any ambadika any
feno voay ranga nify
ary tsy mitsitsy
fa mandrapaka avy hatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mampiaraka | MAMPIARAKA | RASOA | Mailamailaka fihetsika
Efa dodona ny andeha
Mandany ora sy fotoana
Mikarakara ny tarehy
Ny volo tsara bango
Sy ny akanjo mahasondriana
Nampiana ilay kiraro avo
Mba ahababo ilay olon- tiana
Dia nivoaka ny trano
Toa tsy tehafin- dalitra
Izay lalovany rehetra
Manentoento ranomanitra
Tsy ahoany izay aleha
Rehe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miangaly-teny/io-raozy-io | Io raozy io | Miangaly Teny | Nitsimoka ilay raozy ao an-jaridaina
Madera tsara loko rehefa injay namelana
Mena manintona ka lasa tiako halaina
Nefa tsy tiako halazo indray ny felany
Tena ilaiko ity izy handravaka ny tranoko
Nefa mety haratrain'ireo tsilo ny tanako
Sady hatahorako tsy haharitra ela
Ity lokony misarika mena dia mena... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-afa-maina | TSY MISY AFA-MAINA | Fredy Jaofera | TSY MISY AFA-MAINA
Tsy misy afa-maina
rehefa manao ratsy
fa mbola hangaina
rehefa atsy ho atsy.
Tsy misy afa-maina
rehefa mangalatra,
na inona holazaina
fa tsy tonga lafatra.
Tsy misy afa-maina
rehefa manambaka,
vao miala maraina
dia hita ho mizaka.
Tsy misy afa-maina
rehefa mpandainga,
tsy olona antenai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahatsorana | NY FAHATSORANA | Fredy Jaofera | NY FAHATSORANA
Fahamboniana
ny fahatsorana
soa mahaliana
tsara hizorana.
Fanetren-tena
ny fahatsorana
tia fahendrena
raha ifotorana.
Feno hatsarana
ny fahatsorana
rehefa zahana :
fahamatorana.
Ony milamina
ny fahatsorana
'zay avy amina
voa nodorana. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.