url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tiako-ianao-ry-fiainako | TIAKO IANAO RY FIAINAKO | RASOA | Tiako ianao ry fiainako
Isan'andro no hiainako
Ny fiarahantsika tsotsotra
Tsy dia misy zavatra mivoitra
Nefa feno hafanana
Tsy mba nitady fahefana
Tena iriko mba aharitra
Tsy hitadiavam- boninahitra
Tiako ianao ry fiainako
Feno fitiavana hiainako
Ireto taranaka miha- lehibe
Tsy mbola foiko mihitsy andeha
It... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/hitako | HITAKO | RASOA | Hitako izany tsy nahatakatra
Te hanana, tsy nety tafakatra
Tsy milamin- tsaina, zary toa taitra
Sivanina daholo ny zavatra maika
Hitako izany hoe tsiriritina
Nirobaroba tsy mba nifintina
Ireo faniriako tsy misy noferako
Toa maro be no maniry ny toerako
Nampianan-tena aho ahay mba hionona
Tsy hitady zavatra haf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiadanana | NY FIADANANA | Fredy Jaofera | NY FIADANANA
Ny fiadanana dia fitiavana
mandroaka ny aizina maro,
miezaka ery hampihavana
antsika rehetra hifangaro.
Ny fiadanana dia fitoniana
mitandro ny soa lalandava
hiainana hatrany hafaliana
mahay maneho ny mazava.
Ny fiadanana dia fanajana
mivimbina fifankahazoana
mendrika eto hahatamana
ny lalana ti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-ankamamiana | MILA ANKAMAMIANA | Fredy Jaofera | MILA ANKAMAMIANA
Mila ankamamiana
ny fiainana eto an-tany
vao hahita fifaliana
amin'zay atao hatrany.
Mila ankamamiana
ny asa aman-draharaha
vao tsy ho fijaliana,
na ny asan'ny tantsaha.
Mila ankamamiana
ny andraikitra sahanina
vao indro fitahiana
no manomboka tazanina.
Mila ankamamiana
ny adidy tsy hay i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mamaky-boky | MAMAKY BOKY | RASOA | Rehefa injay aho vizambizana
Na mila miala voly
Dia ny boky no vonjena
Ary tena mampitony
Hitako ao daholo mantsy
Ny fanitaran- tsaina, kilalao
Avy ao lhany koa
No hafantarako vaovao
Tsy leony mihitsy aho manokatra
Ao koa misy fianarana
Na hevitra tsy takatro
Hivelarana, hanitarana
Samy ankafiziko daholo
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/ny-hazo | NY HAZO | RASOA | Tano ny "hazo" fa sarotra ny mila
Kojakojay fa aza avela ho kila
Tondratondray koa mba handrombona
Ny voniny hamelana fa tsy hikombona
Hialokalofana rehefa mahamay
Ka aza hadaraboka anjary kitay
Ny rivotra entiny mahasalama
Ireo raviny maintso, tazomy tsy hiala
Ny orana ilaina hanamando ny tany
Tsy lavorary r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vakiboky | VAKIBOKY | Fredy Jaofera | VAKIBOKY
Ny vakiboky, varavarana
manokatra eto ny tontolo
hahazoana fampianarana
mampiova anao daholo.
Ny vakiboky, ranomasina
tetezan'ny onjam-piainana
tsaroana ho manan-kasina
sy mahatsara ny fisainana.
Ny vakiboky, fialam-boly
azo ambara mahafinaritra
tsy, sanatria, mamolivoly
no tsetsatsetsa tsy aritra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/ampahatsiahivo-ahy | AMPAHATSIAHIVO AHY | RASOA | Raha toa aho manadino
Ny fifanekena izay natao
Nandeha nitsaoka fa efa lao
Dia ampatsiahivo ahy
Ny lokaloka nifanaovana
Tamin'ny mbola tsy ampy ny fitaovana
Ary ireo zaza izay nirina
Dia ho foiko ve hidifina
Raha toa aho manadino
Ny fiarahantsika miangona
Fa salama sy bolangina
Dia.ampahatsiahivo ahy
Fa tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/aza-hindraindraina | AZA HINDRAINDRAINA | RASOA | Aza hindraindraina
Fa anjary harary saina
Lazaina hoe Izaho no tsara Indrindra
Dia tsy ho haiko ny hamindra
Ka rehefa any aoriana
Dia mety ho fahoriana
Satria ny endriko sy ny vatako
No indro lasa asandratro
Ka raha misy sahy manankina
Dia izaho no tezitra tsy hangina
Aza dokadokafana
Hoe izaho tonga lafatra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/hentitra | HENTITRA | RASOA | Tsy ao an- tsainy ny handratra
Tetika ny vatravatra
Ekeny Izy hoe tsy mitsitsy
Nefa mazava sy mahitsy
Tiany mantsy ny ho henoina
Fa tsy resaka safoina
Mba ny rehetra no hanaraka
Dia tsy nasiany avakavaka
Amin'izay ho tadidy sy ho hajaina
Ireo torimarika notanisainy
Tsy sanatria miaramila
Fa tsy tiany mihitsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/fotoana | FOTOANA | RASOA | Mandalo toy ny tselatra
Tsy misy "ankehitriny"
Indray mikopak'elatra
Dia mivadika "fahiny"
Tsy hita akory ho angonina
Hampiasaina amin ny manaraka
Tsy azo hoe foronina
Raha misy zavatra tsy araka
Mivadika ho lasa
Tena tsy azo ho tanäna
Ny ho avy sy kinasa
Toa zavatra efa niainana
Ny ora toa minitra
Ireo mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/nifoha-indray | NIFOHA INDRAY | Zoky Eric | Hiverina aho hikalo
Ndeha hanoratra indray
Hizara tononkalo
Fa efa ela ela izay.
Niova anarana ho gasy
Fa tsy toy ilay taloha
Dia ny anarako atsy ho atsy
Gasy hampifoha.
Ireo asa soratra fahiny
Tsy hadino akory ireny
Fa ho fenoiko ankehitriny
Dia ny soratra sy teny.
Tononkalon'alahelo
Tononkalo mampisaina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hatezerana | NY HATEZERANA | Fredy Jaofera | NY HATEZERANA
Ny hatezerana
dia tadion'ny fanahy
tsy mety mitony
ka anaperana
'zany ora mahasahy
maneho lonilony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voanny-fanesoana | VOAN'NY FANESOANA | Fredy Jaofera | VOAN'NY FANESOANA
Ireo izay mijaly,
voan'ny fanesoana
raha tsy mamaly
eto am-piravoana.
Ireo olom-bery,
voan'ny fanesoana
raha tsy mijery
ny tsara hirosoana.
Ireo olon-dresy,
voan'ny fanesoana
raha toa misesy
'tony fanompoana.
Ireo olo-maina,
voan'ny fanesoana
raha karakaina
ny tany nisekoana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiezahana | NY FIEZAHANA | Fredy Jaofera | NY FIEZAHANA
Rehefa tsy eo ny fiezahana,
tsy hahalala fahombiazana,
na dia ho feno fivavahana
ny tontolo izay fafazana !
Rehefa tsy eo ny fiezahana,
tsy hisy sitraka antenaina,
tsy hisy akory fahafahana
hampitondra lamin-tsaina.
Rehefa tsy eo ny fiezahana,
tsy hisy inona ho tanteraka :
ny nofinofy re no hiba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mifampahatsiaro | MIFAMPAHATSIARO | RASOA | Alefanay mialoha
Ity taratasy ity
Hanamafy fihavanana
Hamatotra fitia
Sambatra izahay
Lavitra tomany
Irinay ianareo
Toy izany koa ny any
Asa aman-draharaha
Aty.no mahavariana
Ny ho avy ny ankizy
No mbola tsy hodiana
Tsy mitsaha- mahatsiaro
Na dia lavitra tazanina
Ianareo nahazoana vaovao
Na dia maro nos... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sakaiza | SAKAIZA | Fredy Jaofera | SAKAIZA
Ny boky no sakaiza
tsy mpamitaka ahy
tsy mitsaha-mitaiza
ny saina sy fanahy.
Ny boky no sakaiza
manala fahanginana
rehefa tsy mankaiza,
mora azo iankinana.
Ny boky no sakaiza
mitondra fahalalana
ka hoy aho, mahaiza
migoka ny hazavana.
Ny boky no sakaiza
mitaona fahafahana
ka tiako, na dia aiza
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanaratsiana | NY FANARATSIANA | Fredy Jaofera | NY FANARATSIANA
Ny fanaratsiana,
misy fialonana,
misy habibiana
saro-takonana.
Ny fanaratsiana,
mitana alahelo
tsy hay iadiana
fa misy ny helo.
Ny fanaratsiana,
mihazona ratra
misy fahoriana
mbola mihatra.
Ny fanaratsiana,
sain'ny ambany
tsy azo itokiana
fa lozan'ny tany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/kamo | KAMO | RASOA | Kamo be aho izany
Tsy te- hivoaka any ivelany any
Malaindaina tena kamokamo
Te hiala voly, hiala hamohamo
Raha izao no mba afaka tsy miasa
Fa misahana, manao zavatra hafa
Mitsilamodamoka dia ho rendremana
Mety ho afaka mihitsy izany fahasorenana
Hitakisikisina, hijanona am- pandriana
Hanonofy izay mety ho fani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/raha-ho-avy | RAHA HO AVY | RASOA | Raha ho avy rahavana
Ny fotoana hodiko
Hamonjy ilay tany
Ilay mamy niaviako
Dia misy zavatra kely
Mba tena iriko
Tsy fepetra akory
Nefa koa tsy hikimpiko
Tsy miaingitraingitra aho
Na koa tsy te hiaritra
Fa toy ny rehetra
Te hiaina finaritra
Mitady filaminana
Toy ny olona maro
Tsy manahy mihitsy
Ny hoe hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/afo | AFO | RASOA | Kolokoloy izato afo
Ampio kitay tsy miato
Aza avela mihitsy ho faty
Hanafana ny ao anaty
Fa mangatsiaka ny rehetra
Hitako mipararetra
Ny fanala mahatorana
Tsy ampy lamba hisalorana
Soroy tsara izato afo
Aza asiana hoe handraso
Fa efa ketraka sy noana
Ny kibo kepaka sy foana
Ny afo no any hanamasaka
Ireto s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/kafe | KAFE | RASOA | Rehefa injay aho vizambizana
Nefa tokony mbola ho tohizana
Na hoe mba te-hipetrapetraka
Nefa tokony mbola hiezaka
Indrindra moa hoe te-hatory
Nefa mbola tsy fotoanany akory
Dia ny kafe no vonjena
Hanampy, hanarina ny tena
Karakaraiko ato an- trano
Ataoko mahery tsy be rano
Asiana kely siramamy
Na mangidy kel... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/avia-mandehana-mijanona | AVIA, MANDEHANA, MIJANONA | RASOA | Avia manantona
Aza matahotra
Ny fonay misokatra
Aza mihaotra
Izay rehetra nomena
Dia ampy mizara
Mbola misy amelana
Ireo any afara
Mandehana mandeha
Aza malaina
Ento daholo
Izay azo bataina
Mitobaka ny eto
Tsy hita izay hanaovana
Ny any lavitra any
Tena tsy ampy fitaovana
Mijanona eto akaikiko
Fa izaho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/ho-anny-mpifankatia | HO AN'NY MPIFANKATIA | RASOA | Arovy tsara ny fitiavanareo
Ny fifampitokisana zava-kendreo
Mitandrema tsara amin'ny teny avoaka
Ny tsy azo henoina sy mety hampitsaoka
Aza saro-piaro, tsy fitiavana izany
Ny mifamitaka koa ambany dia ambany
Hiano ny fahasambarana izay azo
Fa ny ampitso tsy fantatra izay ahazo
Ataovy fitaovana ny ho enti- manan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djio-zart/hafatra | HAFATRA... | Djio Z'art | HAFATRA…
Ela ela zay tsy ary nanôratra, ndre taratasy efa feno farôtatra. Mety oe kara lany jijy? Kanefa tsy zegny ilay izy. Fa ilay fotoana nahay tsy haraka, satria hinjehigny ny atsimo sy avaratra. fa nohon’ny aigna araiky, dia tsy hialan’ilay misy taraiky.
Na dia zegny anefa tsaroagna, ary tsy ho digny koa misy f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/any-koa-dia-misy | Any koa dia misy | Vonjisoa ANDJANIRINA 2.0 | Any koa dia misy mamy
Azonao sotroina foana
Rehefa sendra ianao tomany
Ninon'inona fotoana
Any koa dia misy hira
Mbola azonao hiraina
Rehefa misy fifaliana
Na koa sento na taraina
Any koa dia misy kalo
Mety ho azonao kaloina
Rehefa injay fa hoe mandalo
Ireo tsiaro ka tsaroina
Any koa dia misy Ray
Avo nohon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/lasa-aretina | LASA ARETINA | RASOA | Izay hevitra nifamaliana
Nahatonga hatezerana niadiana
Dia sanatria tsy hoe tsy tiana
Fa fitaizan-tena tsy nitoviana
Na hevitra tsy takatra
Nefa dia samy nitompo teny fatratra
Tsy ahoana dia niakatra
Nivazavaza tsy nety sasatra
Raha nentitsika am-pitoniana
Nasiana fandeferana sy firahalahiana
Dia tsy alahelo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajia-farany/...kaloina | ...KALOINA... | Hajia farany | Ny olon-tiako farany?
Tiako be ny anarany fa sarotra tononina,
Kanefa miara-monina amin'ny andro rehetra.
Ny olon-tiako farany?
Dia izao tontolo izao hitetezako ny morana,
manangana ahy ho olona fehezina fepetra.
Any ianao malala,
mitondra fahazavana ny fo izay vita sorona,
miendrim-pitolomana mandresy ny heris... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/any-misy | Any misy | Vonjisoa ANDJANIRINA 2.0 | Any misy maso iray
Tsy mitsahatra mijery
Ireto masonao tomany
Any misy fo iray
Mahatsapa ka mitsetra
Izany sentonao izay
Any koa dia misy endrika
Malahelo ka onena
Raha mahita anao toa kivy
Any koa dia misy iray
Miombon-tsiro aminao
Rehefa tojo ny mangidy
Any koa dia misy felana
Te hiara-mitanondrika
Raha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/namako | Namako | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Namako ianao tena tiako
Tsy ho hadinoko mandrakizay
Fa anton'ireo hafaliako
Niainako hatramin'izay
Namako ianao tiako foana
Tsy ho voafafa ato ampoko
Na ho aza isika tsy hiaona
Namako ianao tsy ho hadinoiko
Namako ianao tiako indrindra
Anatin'ny fo sy fisainako
Namako niara-namindra
Nandravaka ny andrompiain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/asanny-mpanoratra | ASAN'NY MPANORATRA | Fredy Jaofera | ny literatiora
ho an'izao tontolo izao :
kanto mampanokatra
an'ilay bakora
hahalala fiainam-bao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanginana | FANGINANA | Fredy Jaofera | FANGINANA
Manan-danja
ny fanginana
rehefa tia
fa dia manja
ka iankinana
ho doria. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanavesa-piainana | NANAVESA-PIAINANA | Fredy Jaofera | NANAVESA-PIAINANA
Nanavesa-piainana
ka tojo fahalainana
ny foko hamangy
fa tsy sangisangy.
Nanavesa-piainana
ka ny fanaintainana
no velona indray
mbola mamaivay.
Nanavesa-piainana
ka tsy dia fisainana
ny hanoratra any
fa halako izany.
Nanavesa-piainana
ka saro-nitarainana
fony ketraka aho
sy ory lava iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/vetivety | VETIVETY | RASOA | MItsingerina ny taona
Tsy hita mhitsy ny fandehany
Tsy voafehy ny fotoana
Na izay mety ho asehony
Fahazazana izay nilaozana
Tsy hitahita dia nafoy
Ilay " fahamaivan'ny fiainana"
Tsy hita intsony hoe " antsoy"
Ireny tanjaka sy hery
"Nirehareha" ny hatanorana
Nihavery tsikelikely
Tonga ny tsy fahasalamana
Ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/literatiora | LITERATIORA | Fredy Jaofera | LITERATIORA
Ny literatiora
dia hiran'ny fo
ho an'ny vahoaka
tsy manakora
fa harena moa
ka tsara havoaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahamenatra | MAHAMENATRA | Fredy Jaofera | MAHAMENATRA
Mahamenatra ahy,
mahory ny fanahy
raha ny toy ireny
no lazaina reny.
Mahamenatra ahy
fa dia nampanahy
fony tojo fijaliana
sy ireo hakiviana.
Mahamenatra ahy
fa tsapa nahasahy
nanevateva foana
fony zaza noana.
Mahamenatra ahy
ka rehefa lehilahy,
tsy izy no hilaiko,
tokony holalaiko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anjara | ANJARA | Fredy Jaofera | ANJARA
Anjara
ny manoratra
ny ratra nitranga,
na ambara
fa tsy ohatra
ilaina eto aranga. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/habakao | Habakao | cedric tolojanahary | Habakao...
Tiako ho soratana,
Amin'izao fotoana izao.
Ny mafy sy mangidy,
Efa niaretanao.
F'ianao ilay tovovavy,
Niaritra hirifiry.
Nigoka ranomaso,
Tamin'iny alina iny.
Niafy ianao ka niafy,
Niaritra ny jaly.
Nandatsaka tomany
Saingy(...)vonona hisedra,
Ny hetraky ny tany.
F'ianao nitraka hatrany,
Na in... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/aleo | ALEO | RASOA | Tsara ny mitia
Noho ny tiavina
Fa fy raha tena fy
Raha toa koa tsy lavina
Tsara ny manome
Noho ny omena
Fa mendri-piderana
Raha toa tsy noterena
Tsara ny mamela heloka
Noho ny voavela
Fa hitera-boka-tsoa
Fitia aharitr'ela
Tsara ny manampy
Noho ny hampiana
Fa mafy koa raha mafy
Izany tsy fisiana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-herintsaina | NY HERINTSAINA | Fredy Jaofera | NY HERINTSAINA
Ny herintsaina
misy faharesena
no azo antenaina
hivoy fandresena.
Ny herintsaina
misy fahakiviana
no tolona zakaina
rako-pahasahiana.
Ny herintsaina
misy fananarana
no zavatra ilaina
ho hasambarana.
Ny herintsaina
misy fitokisana
no toetra lazaina
be fahamafisana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/helohy | HELOHY | MAZ RAMANA | HELOHY
Heveriko ho mahitsy
Izay rehetra nataoko
Dia maso miandranandrana,
Sy fo mirehareha, izay jiron'ny fanahy!
Fahoriana foana koa
no hitarainan'ireo molotro
Mitsoaka aho, mihazakazaka
Manitsy hati-lavaka...mibaby trosan-drà!
Taranaka mihevitra
ny tenako ho madio aho!
Tsy mankato ny reniko,
Hesoiko koa n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vintana-ve- | NY VINTANA VE ? | Fredy Jaofera | NY VINTANA VE ?
Ny vintana ve ?
Vato sarobidy
ao anaty ange
tsy azo amidy.
Ny vintana ve ?
Vorona mihira
rehefa mba re
ka mamikira !
Ny vintana ve ?
Andrin'ny osa
mampandeha
ny tsy misosa.
Ny vintana ve ?
Ezaka marina
misy rehareha
raha tafarina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/masom-panahy | MASOM-PANAHY | Fredy Jaofera | MASOM-PANAHY
Ny masom-panahy
no ahatazanana
an'izay hatsarana
ka raha efa manahy
fa hosakanana,
jereo ny hadalana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hazo | TSY HAZO | Fredy Jaofera | TSY HAZO
Ny fangirifiriana
dia mora volena
ka mainka fa ny tazo ;
rehefa tsy tiana
ny misy ny tena,
mihetseha fa tsy hazo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-anjara | NY ANJARA | Fredy Jaofera | NY ANJARA
Ny anjara dia miseho
amin'ny fotoana
tsy noeritreretina :
tonga dia eo no ho eo
mila hahamoana
fa efa norafetina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nampoiziko | TSY NAMPOIZIKO | Fredy Jaofera | TSY NAMPOIZIKO
Tsy nampoiziko ho isika
no hiombina eto an-tany
ka mbola nampandriaka
ny ranomaso maro ihany.
Tsy nampoiziko ho ianao
no hamafa ahy izay ratra
ka ireo alahelo tao ho ao
mbola nisy kely nihatra.
Tsy nampoiziko ho ny tory
no hivatsy ahy ny nofinofy
fa nataoko lava ho sorisory
ho an'izany foko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manimanina | MANIMANINA | Fredy Jaofera | MANIMANINA
Manimanina ny foko
fa mahatsiaro azy ery ;
mitaditady ka misoko
'lay alahelo vao nitia.
Manimanina ny saiko
mankany sy misidina ;
mitaditady ka lanjaiko
fa zary miaka-midina.
Manimanina ny tany
mamelombelom-bazo,
tongatonga ny tomany,
asa loatra 'zay mahazo.
Manimanina ny ora
mampisento lalanda... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mitady | MITADY | RASOA | MItady anao aho ry fahafahana
Mbola maro be no hitsahina
Sy tampenana ny vava
Tsy mahita mangirana misava
Satria izay mba tiana ho tenenina
Dia hampanginina sy hafenina
Fa toa manelingelina
Dia terena ho hatelina
Mitady anao aho ry fitoviana
Maro be no mbola hiadiana
Mba tsy hisy fijery mitsimbilana
Na fizar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mpirahalahy | MPIRAHALAHY | Fredy Jaofera | MPIRAHALAHY
Mpirahalahy
ny fitiavan-tena
sy ny fankahalana
fa mahasahy,
tsy haiko fefena,
mitondra hadalana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/aza-adino-aho | AZA ADINO AHO | RASOA | Aza adino aho
Raha anaty fifaliana
Tandremo sao variana
Izaho ilay nitsikitsiky
Tsy nitsahatra mihitsy
Ny endriko ho mirana
Tamin' ireo sahirana
Noresahiko nosahaniko
Ny mpiara-belona amiko
Aza adino aho
Raha anaty fahoriana
Mitanondrika sy gina
Fa Izaho nijoro foana
Nihezaka hanafoana
Hanamaivana ny vesa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/andeha-lavitra | ANDEHA LAVITRA | RASOA | Hianga ianareo andeha
Tandremo ny mirehareha
Aoka ahatsiaro foana fa hoe
Fahasoavana no be dia be
Rehefa injay eny an- dalàna
Gokay toy ny fahasambarana
Izay rehetra nananarana
Fa olona niangarana
Kelikely ho tonga any
Trohy daholo izay mamy
Aza hadino hatrany hatrany
Fa mila mifaly eto an-tany
Tena tsara r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mifalia | MIFALIA | RASOA | Tsy nahalala fahazavana
Raha tsy tao anaty aizina
Tsy nahita fahatoniana
Raha tsy efa injay nofaizina
Ireo fahahafana nomena
Tsy hita koa hoe ny lanjany
Nogejaina nofefena
Izay vao hitako ny tanjany
Ny fitiavana malalaka
Safidy izay anjara
Tena hita indray ny tsirony
Noho ny voasakana voarara
Hatramin' ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/tsy-afa-bela | TSY AFA-BELA | MAZ RAMANA | Tsy afa-bela!!!
Hitady an'iza hanatatao
ianao ry babo antanin'olona?
Hiandry an'iza hanafo rano
Izato tongon-tafintohina?
Andevo manan-tompo ianao
Harena, mbola hamidy
Tsy ahita fasan-drazana
fa hody ambavam-biby!
Mbola tsy hary akory ny haza
D'efa ianao no nokendrena
Notambazana hainga kely
Kanjo : ho faty... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mifanohana | MIFANOHANA | RASOA | Ento am -pahatsorana
Fa aza sarotindrotiny
Aza mora sosotra
Amin'ny zavatra tsisi-fotiny
Betsaka ny olana goavana
Tena mampisendaotra
Ny zavatra mitranga
Tsy ahafahana manoatra
Hevitra tsy mitovy ve
No andeha tsy hiombonana
Zava-mafy noho izaho
Efa nifandrombonana
Ento am-pahatsorana
Aza hasiana olikolika
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/miangatra-amiko-ve-ny-fiainana | Miangatra amiko ve ny fiainana? | Harintsoa Gasy Mpikalo | Teto lesy no nantenaiko izany fandrosoana izany
Nivetsoko ny tononkiran'ny fitiavana
Nihirako ny hafaliana sesilany
Nanekeko hatrany, tsy nisy ny fandàvana
Teto lesy no nantenaiko ahavita soa
Hiambozonako ny ziogam-pandresena
Namafizako ny voam-bokatsoa
Niady mafy anefa tsy mba nitaraina
Teto lesy no novetsoiko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eto-amboninny-tany | ETO AMBONIN'NY TANY | Fredy Jaofera | ETO AMBONIN'NY TANY
Eto ambonin'ny tany,
misy lalàna tokony hohajaina
vao hisesy aok'izany
ny rindra sy ny lamin-tsaina.
Eto ambonin'ny tany,
misy fitsipika tokony hekena
vao tsy hisy tomany
ny atao rehetra mbola babena.
Eto ambonin'ny tany,
misy andraikitra efaina foana
vao tsy re hanontany
ity fiainana mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/mp | "MP" | Nosy Malala | "MP"
Eto amin'ny tambazotra misy fanana amidy,
Sao mahasoa na misy liana hividy.
Hafatra kely ho an'ny mijery maro be ,
Raha hanohy resaka dia "mp" .
Ny vidiny aloha tsy ho lazaina eto,
Na ho an'olo-tsotra na mpanefoefo,
Manasa anareo hitodika avy hatrany,
Ny tohin'ny tantara dia "mp" ihany.
'zay nahazo val... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-mba-noely | REHEFA MBA NOELY... | Fredy Jaofera | REHEFA MBA NOELY...
Rehefa mba Noely,
iza no tsy hiravo ?
Diniho fa ny anjely,
midera koa ny Avo.
Rehefa mba Noely,
iza no tsy hiova ?
Miredona sy miely
ny hira tsara lova.
Rehefa mba Noely,
iza no tsy hisaotra ?
F'i Jesoa zazakely
no io hampivoatra.
Rehefa mba Noely,
iza no tsy hivavaka ?
'Lay Kristy mo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manefy-ny-anjara | MANEFY NY ANJARA | Fredy Jaofera | MANEFY NY ANJARA
Ny toetra, manefy ny anjara
hahafinaritra etoana na tsia,
hisasatra mba hisy amboara
'reo ezaka atao ka matokia.
Ny saina, manefy ny anjara
tsy hisosososo any an-kady,
tsy hirefareha any am-para
fa manana harena sahady !
Ny ratsy, manefy ny anjara
ho maizina ny fiainana eto,
ho reraka rehefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/renirano | RENIRANO | Fredy Jaofera | RENIRANO
Ny renirano
lalina indrindra
no misy fanginana ;
avia, tazano
fa misy rindra
no azo amintinana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanasohaso | NANASOHASO | Fredy Jaofera | NANASOHASO
Ny poezia
dia fahatsiarovana
be ranomaso
ka miriaria
fa 'reo nandalovana,
nanasohaso. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/fitiavan-janaka | FANOMEZANA | RASOA | Tsy hanantenana valiny
Tsy hiandrasana takalony
Fa natolotra, nomena
Ireo teny mamy sy babena
Tsy nilaina tambiny
Natobaka tsy misy ambiny.
Ekena fa tsy lavorary,
Nefa niaretana narary
Ekena fa tsy tonga lafatra
Nefa izay aloha no takatra
Ekena fa tsy tapitr'ohatra
Ka nahatonga hisy hanohitra
Ekena fa tsy f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-voninkazo | NY VONINKAZO | Fredy Jaofera | NY VONINKAZO
Ny voninkazo dia tononkalo
vita soratra ho hasambarana
ka tsy hay amidy na atakalo
fa mampihaingo varavarana.
Ny voninkazo dia vehivavy
kolokoloina mandavataona,
na tsy tazana ho miangavy
sy tia mamoritra eny foana.
Ny voninkazo dia fitoniana
namana ilaina mahafinaritra
mampanadino izay fijalia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/jereo-ny-sakafo | JEREO NY SAKAFO | Fredy Jaofera | JEREO NY SAKAFO
Jereo ny sakafo
fa tsy hay vidina,
ny vary mihalafo
ka be hakiviana.
Jereo ny sakafo
fa kely tampoka
ka maro ny tafo
no efa miantoka.
Jereo ny sakafo
fa sarotra ekena ;
miray donak'afo
tsy mahita hena.
Jereo ny sakafo
fa tsy mba tsara,
indrisy !...Tarafo
fa tsy fambara ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-mahova | TSY MISY | Fredy Jaofera | TSY MISY
Tsy misy mahova
ny fitiavako anao
ny harena sy lova
ka avia anjakao !
Tsy misy mahala
ny safidim-poko
fa ianao, malala,
no ilay tsy foiko.
Tsy misy maharo
ny vita orimbato
ireo nanafangaro
ny nisy tsy niato.
Tsy misy mahefa
ny aingampanahy
tsy mahay milefa
vao misy tsy nahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/indray-fararano | INDRAY FARARANO | Fredy Jaofera | INDRAY FARARANO
Indray fararano
no nitiavako anao
ka manganohano
f'efa any izy izao.
Indray fararano
no nanova antsika ;
nikopaka ny vano
ka eto tsy sariaka.
Indray fararano
no nahitana vazo
rehefa nilomano
falifaly ka giazo.
Indray fararano
no nampiray fitia
ka mbola angano
mamiko ho doria. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahambaniana | FAHAMBANIANA | Fredy Jaofera | FAHAMBANIANA
Ny fitiavan-tena
dia fahambaniana
tonga hampihena
an'ireo nitokiana.
Ny, hoe, fosafosa
dia fahambaniana
tsy avy hampisosa
an'ireo fitahiana !
Fanahin'ny adala
dia fahambaniana
tsaroana mandala
an'ireo haratsiana.
Sain'ny mialona
dia fahambaniana
ka tsara havalona
fa feno habibiana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-zanaky-ny-mazava | NY ZANAKY NY MAZAVA | Fredy Jaofera | NY ZANAKY NY MAZAVA
Ny zanaky ny Mazava
misoritra amin'ny tava
fa 'rony olona miavaka
izay mba tia mivavaka.
Ny zanaky ny Mazava
dia mahay mampisava
'reo tebiteby manadala
tsy hitombina fa hiala.
Ny zanaky ny Mazava
dia tsy kivy lalandava
fa mahay mifaly foana,
na ahoana na ahoana !
Ny zanaky ny Mazava
di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniriantsoa-razakamalala/ianao-ilay-poeta | IANAO ILAY POETA | Faniriantsoa RAZAKAMALALA | IANAO ILAY POETA
raha vao mahita ny asa soratrao aho
dia mientana ny foko,mitaraina,mitalao
ny diam-peninao,dia mamaritra ny fiainako
ny kalokalonao toa mahatsapa ny tarainako
Ka ianao ilay poeta,mpanome ny fahasambarako
ny soratrao rehetra dia milaza ny tantarako
toy ny hoe...nitety an'izao tontolo izao
rehefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-kiakam-pahatrana | NY KIAKAM-PAHANTRANA | Fredy Jaofera | NY KIAKAM-PAHANTRANA
Ny kiakam-pahantrana,
tsy andrenesam-baliny
fa ambara ho hadalana
ka mahontsa ny aliny.
Ny kiakam-pahantrana,
tsy miantso haravoana
fa tabataba tsy itafana
resadresaka hirosoana.
Ny kiakam-pahantrana,
tsy mahazo famonjena
fa alahelo mahatamana
tsy mendrika hojerena.
Ny kiakam-pahantran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fankahalana | NY FANKAHALANA | Fredy Jaofera | NY FANKAHALANA
Ny fankahalana
dia hatezeran'ny reraka
tsy mivoy ny hatsarana
fa fanesoana tanteraka.
Ny fankahalana
dia herisetran'ny adala
tsy mpandray fanajana
ho an'ny tsy mahalala.
Ny fankahalana
dia ratran'ireo efa resy
nilaozam-panantenana
ka mialona eny misesy.
Ny fankahalana
dia aizin'reo tsy tafi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aina-1/safidy-roa | Safidy roa | Ny Aina | Tsy fantatro intsony
Na ianao na izy
Tsy mba aiko akory
Ny foko tsy afaka hisafidy
Toa adinoko ianao
Rehefa izy no eo anilako
Ianao nef tsy tiko rah handao
Fa satriko mba hotonga silako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mitsaoka | MITSOAKA | RASOA | Miezaka mafy mamaky ny onja
Mamaky ny làlana, miara- mitondra
Satria mahafantatra fa herin-tsaina monja
Dia hahatafita, hiampita ho tonga
Dia nihanihana irony havoana
Tsy maintsy natao, fa tsy safidy foana
Nandany andro, tsy nahalala fotoana
Fiainana maizina, toa misaona
Ny ankizy babena, ny enta-mavesatra
Mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-herisetra | NY HERISETRA | Fredy Jaofera | NY HERISETRA
Filana ady
ny herisetra
ka tsy fitady
na tarigetra.
Faharesena
ny herisetra,
fahalemena
efa mitoetra.
Fankahalana
ny herisetra,
fandravana
soa rehetra.
Hatezerana
ny herisetra,
fiheverana
tsisy tsetra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/oharina | OHARINA | Fredy Jaofera | OHARINA
Ny ranomasina kely
raha toa ka oharina
amin'ny fitiavan'ny reny,
tsy lainga raha aely
na resaka amboarina
fa mitombina avo fito heny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ataovy-poezia | ATAOVY POEZIA | Fredy Jaofera | ATAOVY POEZIA
Ataovy poezia
ny alahelonao
dia tsy hangia
fa efa handao.
Ataovy poezia
ny tebitebinao
dia io fa minia
hiala tsotr'izao.
Ataovy poezia
ny fiadananao
dia ilay valiha
hisy antsa vao.
Ataovy poezia
ilay fitiavanao
dia hifankatia
isika ao ho ao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/ho-soratana | HO SORATANA | RASOA | Tsy misy zava-noforonina,
Na dia efa ela nimonimonina,
Nisy fotoana koa nangonina,
Tsy hay intsony hokobonina,
Dia nosoratana tononina.
Ny alahelo, latsalatsa
Ny fitia latsa-paka
Be ny zavatra tsy zaka,
Ka nahatonga hiambakavaka,
Dia soratana tsy handratra.
Ny fiainana izay mety,
Tao anaty fifaliana tomefy,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahantrana | NY FAHANTRANA | Fredy Jaofera | NY FAHANTRANA
Manala fitiavana
ny fahantrana ;
manala finiavana
ny hitafana !
Mivoy haratsiana
ny fahantrana ;
mivoy hakiviana
tsara hialana.
Mamono henatra
ny fahantrana ;
mamono tselatra
be hazavana.
Mamoha hambo
ny fahantrana ;
mamoha lambo
tena igagana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tsaroana | TSY TSAROANA | Fredy Jaofera | TSY TSAROANA
Ny alahelo tsy tsaroana
rehefa misy andraikitra
mameno sy ahazoana
fitoniana miraikitra.
Ny alahelo tsy tsaroana
rehefa misy rindra soa
'reo lahasa izay inoana
hahombiazana tokoa.
Ny alahelo tsy tsaroana
rehefa misy fihavanana
mbola azo andokoana
'zay lalam-piadanana.
Ny alahelo tsy tsaroana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/ho-anao | Ho anao | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Ho anao sakaiza izao tononkalo izao
Mitsengerina anio, 'lay Ora sarobidy nahaterahanao
Ka miarahaba anao
Azafady anefa, sy miala tsiny indrindra
Raha tononkalo Kely, tsy manandanja loatra, sady tsy mirindra
No MBA fanomezana, hany MBA voavimbina
Ka indro omena anao
Andro lehibe, ho anao NY androany
NY teniko di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy/mpamitaka- | Mpamitaka ! | RAMY | Soa fa nisy loza ve,
Nahafahana niteny fa ianao no andrim-piainany ?
Ka ny sofiny handre,
Ilay teny mamy tsara rindra hampitony ny tarainany ?
Soa fa nisy koa ny ratsy,
Hampironga-pisehoana ao anaty fahoriany ?
Dia mody omena aloha ny vatsy,
Amin'izay angamba heverina fa resinao ny fijaliany ?
Ô ! Ry fitaka mav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-erica/izany-ka-vehivavy | Izany ka vehivavy | Haingo Erica | Miaiky anao aho ry vehivavy
Amin’izato fahamendrehanao
Vehivavy tena tsara
Reharehan’ i Gasikara
Tsy mba misy mampiahiahy
Fa sady tsotra no tsara fanahy
Tena vehivavy idealy
Fady azy ny hoe hampijaly
Mahazaka miaritra ny mafy
Mahay mandefitra, mahay mihafy
Tsy dia hoe resaka fahalemena
Fa noho izy mahay mana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/noho-ianao | Noho ianao | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Mamiko NY fiainana
Raha NY endrikao
No indro fa mandalo
Tiako koa ny kalo
Raha NY feonao
No reko fa mivetso
Tiaviko NY sento
Raha NY lasatsika
No manosika NY foko
Tiako NY toloko
Raha NY diaritsika
No indro fa tadidy
Mamiko NY ngidy
Raha nilaozanao
NY fiainako eto antany
Eny, ekeko ho mamy
Izay rehetra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/halaviro | HALAVIRO | Fredy Jaofera | HALAVIRO
Halaviro ny ditra
dia hisy ny rindra
tonga isa-minitra
hahindrahindra !
Halaviro ny ratsy
dia indro ny tsara
hitranga hamatsy
'rony soa voarara.
Halaviro ny vandy
dia hisy fiadanana
voatazon'ny landy
mivoy fihavanana.
Halaviro ny tsiny
dia hisy fivoarana
iny eritreritrao iny
sy ny fandaharana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy/ilay-mpampahantra | Ilay mpampahantra, | RAMY | Mangina ialahy, mangina ry 'lay mahantra ity !
Tsy hisy masoandro ho an'ialahy akory aty.
Ny anjaran'ialahy ? Atao toy ny akoho ;
Ka 'zay kely azo, dia andrandrao ny loha !
Angaha ialahy mihevitra fa hahita fahasambarana
Amy ireto kobaka natao hoe "hitambarana" ?
Tsy an'ialahy ireny fa adinoy tanteraka !
Ny anja... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy/satriko | Satriko, | RAMY | Satriko aza tafatoetra
Ireny asanao ireny,
Ka ny vokatra rehetra
Tsy handalo toy ny teny.
Satriko hahita anao
Velombelom-pifaliana
Tamin-javatra natao
Tanteraka am-pitoniana.
Ny asanao ry sombinaiko
Dia ianao no nisandratany
Fony tsisy zava-pantany.
Teny toky fa tsy baiko,
Nentinao nanolo-tena
Dia ho an'ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manam-poezia | MANAM-POEZIA | Fredy Jaofera | MANAM-POEZIA
Manam-poezia
ny firenena maro
kanto ho doria
izany ka fantaro.
Manam-poezia
ny vahoaka misy
vao io mandia
ny sedra, indrisy.
Manam-poezia
ny andro iainana
vao io mangia
'rony fitarainana.
Manam-poezia
ny fo iray mijafa
vao mba mitia
fa tsy afa-mitafa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahalala | MAHALALA | Fredy Jaofera | MAHALALA
Ny fo dia mahalala zavatra
tsy vitan'ny loha hazavaina
ka tsara ny mangina ;
ambarako izany fa hafatra
marina foana isa-maraina
tsy mivoy fanahiana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-misy-vehivavy | REHEFA MISY VEHIVAVY | Fredy Jaofera | REHEFA MISY VEHIVAVY
Rehefa misy vehivavy
'tony fiainan-dehilahy
dia maivamaivana avy
ny tebiteby sy ahiahy.
Rehefa misy vehivavy
manohana ato aoriana,
tsy moramora manavy
fa manam-pitoniana !
Rehefa misy vehivavy
manampy tsisy farany,
faly be ny mpianakavy,
vita hira itony anarany.
Rehefa misy vehivavy
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ao-ny-mozika | AO NY MOZIKA | Fredy Jaofera | AO NY MOZIKA
Ao ny mozika
ho namantsika
vao tsy mirana
fa toa sahirana.
Ao ny mozika
vao tsy baliaka
ny volana tiana
hanilo mangina.
Ao ny mozika
tsy hampihika
vao kivy irery
na tsisy mijery.
Ao ny mozika
vao mandriaka
ilay ranomaso
ka dia alefaso. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/tsiaro | Tsiaro | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | E! Nimpody indray NY sentoko nahita olon-droa
Zatovo lahy sy vavy: mifankatia tokoa
Miaina ampahasambarana; toy ireny aho fahiny
Manjary sento anefa izany ankehitriny
Mimpody ato antsaiko, zahay ilay nifanjohy
Tsy nanampo akory NY ho tapaka fivoy
'Lay lakan'ny fitiavana, niombonanay fitia
Tapitra ilay fiainana, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy/jambena | Jambena | RAMY | Ny lohako ve no fanin-tsigara,
Sa ny masoko mihitsy no efa jambena ?
Tsapako fa efa hovery tantara
Sy hifolaka ny andrin'ity firenena.
Rahoviana vao hotaitra ireo manant-tsaina
Hanitsy ny lesoka efa niharetana ?
Ny an'iza no mbola hiriana ampitaina
Hatao amboletra, tsy maintsy hamoretana ?
Ireo zanatsika lasa n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-izany | TSY IZANY | Fredy Jaofera | TSY IZANY
Ny fiainana moa
dia misy fetra
fa ny alahelo, tsy izany
ka lasa ambiroa
sy mitsetsetra,
tsy mba misy manontany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy/mbola-azonao | Mbola azonao | RAMY | Mbola azonao alaina
Ilay vony teo an-jaridaina
Nihitsam-pelana tsy fidy
Ka nahateraka mangidy.
Mbola azonao koloina
Satria tsy vatra ho soloina
Dintin-kazo vaovao
Hanentoento an-tranonao.
Tao ny foko no niraraka
Ka voatery tafasaraka
Noho ny dinika tsy vita.
Nefa inty ny ankehitriny
Tsy fatoran'ny fahiny
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fetinny-vehivavy | Fetin'ny vehivavy | Nosy Malala | Fetin'ny vehivavy,
Tsy mila miady akory, hitovy amin'ny lehilahy.
Fantatra fa ny vehivavy dia vonona sy sahy.
Tsy misy toa azy, raha olona afaka izy,
Mizara ny mamy, mandresy ny mangidy.
Sitraka no asetry, ny talenta sy ny toetra,
Natolotry ny Ray ho an'ny vehivavy rehetra.
Tsy vitan-dehilahy sady tsy natao ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vehivavy-dia-poezia | NY VEHIVAVY DIA POEZIA | Fredy Jaofera | NY VEHIVAVY DIA POEZIA
Ny vehivavy dia poezia
mpampitodika ny maso
rehefa manja fa satria
toa anjely ka andraso.
Ny vehivavy dia poezia
mampiainga ny fanahy
mahay miteny mitosia
rehefa vizana, ry lahy.
Ny vehivavy dia poezia
mampidoboka ny foko
mampitombo ilay fitia
rehefa iny ka misoko.
Ny vehivavy dia po... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lalao | LALAO | Fredy Jaofera | LALAO
Ny fiainana ange
dia toy ny lalao
manara-pitsipika ;
matoa mandeha,
izany no natao
ka tsy mipitika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-erica/hafatra | Hafatra | Haingo Erica | Iangaviako ianao
Mba hampita aminy
Izao hafatro izao
Any amin’ny toerana
hanirahako anao
Fa misy olona any ho any
mitady ho kivy
Amin’ny fiatrehana ny adidy
Kanefa tsy mba manan-kitarainana
Fa misedra samy irery ny fiainana
Raha hanontany azy ianao
Dia hovaliany tsotra izao
Hoe milamina tsy misy olana
Na d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy/vahiny-an-tanin-drazana | Vahiny an-tanin-drazana | RAMY | Vahiny ve ny tenantsika
Sa mety efa tompon-tany ?
Nahoana no ovaina dika
Irony lova tena mamy ?
Ny tantarany nafenina;
Misy aza te hanova.
Dia tsy fantatrao ho nenina
Raha ovaina koa ny Rova ?
Asa aloha izay tena tanjona
Ao ambadika tsy hita.
Fa ny hany mahatalanjona !
Dia voarava ny efa vita.
Ireo nambara ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rembona | REMBONA | Fredy Jaofera | REMBONA
Rembona ny any
no lasa mitoetra
ka misento izany,
sady manjoretra.
Rembona ny any
fa dia mpivahiny
mandefa vinany
izao ankehitriny.
Rembona ny any
fa very kalokalo
ka latsa-tomany
fa tsy tafandalo.
Rembona ny any
fa singany loatra,
ny fo te hankany,
tsy afa-manoatra. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.