url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soa-mitoetra | SOA MITOETRA | Fredy Jaofera | SOA MITOETRA
Soa mitoetra
ny fandeferana
fa manam-petra
ka dia miserana.
Soa mitoetra
ny fahendrena
ho an'ny rehetra
ka tsy hay fefena.
Soa mitoetra
ny fihavanana
tsy hampitsetra
ny andehanana.
Soa mitoetra
ny fahatsorana
tena ho tigetra,
na avy ny orana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomavo-gilbert/moa | Moa | Rakotomavo Gilbert | Moa ny tany izay malama
Diavin’isanandro izao
Antenaina fa hitana
Irony dian-tongotrao?
Moa ny aloky ny hazo
Nahazoana fahasambarana
Tsy mivadika ho tazo
Raha midila varavarana?
Moa ny oram-batravatra
Nantenaina hamelo-maso
Tsy toa tselatra mandratra
Ny ati-fo, voan’ankaso?
Moa ny rindrina mijoro
Manafana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fitiavana-ve- | NY FITIAVANA VE ? | Fredy Jaofera | NY FITIAVANA VE ?
Tsy misy taona
fa vao mihaona
dia miramirana
rehefa idirana.
Tsy misy fetra
fa dia tarigetra
misy hafaliana
tsy mba ahina.
Tsy misy aizina
raha tsy laizina
ny vazon'ny fo
metimety sy to.
Tsy misy alona
na ora mialona
fa rindra mamy
isaky ny tamy ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-aingampanahy-2 | NY AINGAMPANAHY | Fredy Jaofera | NY AINGAMPANAHY
Ny aingampanahy
no ranomaintin'ny soratra
mitaona foana ahy
vao manembona, ohatra.
Ny aingampanahy
no kintana manan-drambo
manazava eto, lahy,
sy toy ny entin'ny sambo.
Ny aingampanahy
no mba fitoriam-pitiavana
tena mahay miahy
efa nahazo fankatoavana.
Ny aingampanahy
no hevitry ny mpamoro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miaina-ny-fanantenana | MIAINA NY FANANTENANA | Fredy Jaofera | MIAINA NY FANANTENANA
Miaina ny fanantenana
dia ny izao ankehitriny
lavitry ny fahabangana
sy 'zay disadisa fahiny.
Miaina ny fanantenana
dia miaina ny fitoniana
ho andro hahatamana
no hisy mba hifaliana.
Miaina ny fanantenana
dia miaina ny fivoarana
fa tsy taona andrarana
an'ity fahasambarana.
Miaina ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vesatry-ny-lasa | VESATRY NY LASA | Fredy Jaofera | VESATRY NY LASA
Ny vesatry ny Lasa
no nosoratako ho boky
hanamaivana ny taona
na indrindra hanasa
'reo nandoto ny toky
raha toa re tafahaona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-teny | NY TENY | Fredy Jaofera | NY TENY
Ny tany
dia reny
tsy ho faty mihitsy,
toy izany
ny teny
matoa aho mahitsy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-kanto | NY KANTO | Fredy Jaofera | NY KANTO
Ny kanto dia mamorona
sary tsy hita
mila talenta raha tsorina
ho mora vita.
Ny kanto dia manoratra
zavatra tsara
tsaroana ho mamokatra
rehefa anjara.
Ny kanto dia manafaka
ny aizina re,
tsy, sanatria, ho solafaka
ka maneke.
Ny kanto dia mamelatra
fanambinana,
sady 'zay manana elatra
hanidinana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-erica/misy-farany | Misy farany | Haingo Erica | Araho ihany aloha
Iny làlana mideza
Izoranao iny
Na dia feno ahitra mamingana
Fa tsy irery ianao na hoe singana
Tsarovy fa any ho any
Misy misedra olana toy izany
Koa aza avela hitamberina
Ny hoe kivy aho ka andeha hiverina
Mirosoa dia ataovy an-tsaina
Fa ny tonga soa no arahabaina
Ihafio ihany aloha
Io tr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-erica/fo-voapanga | Fo voapanga | Haingo Erica | Foko ô !
Azafady kely anie
fa mba saika hanontany
Fa ity misy resaka henoko
tany ho any
Dia naleoko niantso anao manokana
Mba tsy hihainoako feon-dakolosy tokana
Tsy haiko aloha na resaka tafahoatra
Fa ianao hono tsotra be loatra
Dia mitady hikiry sy hamahatra
Vao maheno teny tsara lahatra
Kanefa anie ireny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ataoko-sanatria | ATAOKO SANATRIA | Fredy Jaofera | ATAOKO SANATRIA
Ataoko sanatria
ny fanadinoana
fa namoha fitia
nisy haravoana.
Ataoko sanatria
ny fankahalana
fa izay, matokia,
no nahatamana.
Ataoko sanatria
ny fangirifiriana
fa ny fo nifangia,
nisy hamamiana.
Ataoko sanatria
ny fahaverezana
fa fony niara-dia,
efa fanomezana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/...dia-manoratra-aho- | ...DIA MANORATRA AHO ! | Fredy Jaofera | ...DIA MANORATRA AHO !
Rehefa misy zavatra
mba tonga ao am-po
ho any amin'ny tanana
dia manoratra aho
fa mivesatra hafatra
tsara havoaka tokoa
mbola tsy azo sakanana
mivoy ainga vao ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/midona-moramora | Midona moramora | Ny Avana Ramanantoanina | Midona moramora
Ny any Ankaratra any;
Manembona isan'ora
Izay mandre izany.
Ny zavona mamono
Ilay Ambohimiangara,
Fa manina azy, hono,
Ny tiana, hany zara.
Manombana ho avy
Ny any Ambohimanoa;
Ny ranomasoko avy
No indray mirotsa-droa.
Mijojo vao maraina
Ilay Angavokely;
Ny alahelon-tsaina
Tsy hita velive... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tiako-hohadinoina | TIAKO HOHADINOINA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TIAKO HOHADINOINA
mba vonjeo aho re rafanadinoina,
mba hanadinoiko ny andro fahiny
ianao no hany sisa mba azoko antsoina
hitsabo ny ratran'ity fo feno tsiny
mba tiako ho rava sy fongotra hatreo
ilay dinam-pitia nampitambatra anay
mantsy, raha fitiavana no toa mankaleo
tsy aleo ve ravàna sy hazera amin'izay,
ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kokoa | KOKOA | Fredy Jaofera | KOKOA
Ny fanginana
no tsara kokoa
noho ny miteny,
azo niankinana
fony mba voa
sy ory lavareny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/diamondra | DIAMONDRA | Fredy Jaofera | DIAMONDRA
Ny zava-drehetra, ry zareo,
dia azo vidina daholo
afa-tsy ny fitiavan'ny reny :
toy ny diamondra miseho
mbola sarotra asolo,
mahavariana eny ho eny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-tsy-anilanao | NY TSY ANILANAO! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | NY TSY ANILANAO!
ny eto sy ny any
tsy misy hafa tsy akory
fa raha sendra tomany
ny maso matory
dia mahatsiaro anao
ny andro sy taona
tsy maintsy hifandimby
ny fo zatra saona
fa ny tena mangidy
ny tsy anilanao
raha sendra tomany
ny maso mikipy
dia lasa vinany
ny saina fa misy
ny tsiaro ho anao
ny any sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ry-zanako-vavy | RY ZANAKO VAVY | NY HERIMAR | RY ZANAKO VAVY,
Zanako...
Fetinareo, hono, ny andro anio,
Horakoraka mafy era-bazantany;
Etsy ange ny masonao ankimpio
Dia mba henoy ireto teniko androany:
Ny vehivavy dia fanaka tsara
Fanaka tsara ary mila fanajana
Ny fanahy re no tsy mahalany zara
Ary tena zava-poana ny hatsarana
Meteza ianao hitsiana sombi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/fitia-vary-iray-venty | FITIA VARY IRAY VENTY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | FITIA VARY IRAY VENTY
fitia sombintsombiny
dia fitia potipotiny,
no natolotrao
mikisary lalao
fa tsy tena fitia
saingy, nekeko satria
ny foko no adala
nitady malala,
nanaiky tsy fidiny
ny hasarobidin'(ny)
ireo teny roa
ary mamy tokoa
satria...!
ianao no voaloham-pitiavako
ekeko ho malalako
saingy, fitia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-erica/ny-atao-hoe-mifankatia | Ny antsoina hoe mpifankatia | Haingo Erica | Indray andro sendra teny an-dalana
Nisy tovovavy namindra mahalana
Nitodika tampoka izy nibanjina ahy
Toa te hanontany nefa tsy sahy
Dia hoy aho, manao ahoana ianao?
Inona no maresaka sy vaovao?
Azafady hoy izy fa mba saika hanontany
Inona no antsoina hoe “Mpifankatia” izany?
Sadaikatra aho ny hamaly ilay f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitia-mampidi-doza | FITIA MAMPIDI-DOZA | Fredy Jaofera | FITIA MAMPIDI-DOZA
Efa maro ny hanihany
niarahantsika hatrany
nisy vary aman-kitoza
fa fitia mampidi-doza.
Mahafatifaty ombieny,
manjamanja lavareny,
ny aty tsy hirozaroza
fa fitia mampidi-doza.
Mifankahazo am-po,
efa mahay mifanasoa,
ny aty tsy hivozavoza
fa fitia mampidi-doza.
Aleo re tsy hifandona,
ian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nofisina | NOFISINA | Fredy Jaofera | NOFISINA
Izay azonao nofisina
dia azo tanterahina
ka aza mikisinkisina
fa toky azo arahina.
Izay azonao nofisina
dia azo eritreretina
fa tsy omena sisina
ka mahabe aretina.
Izay azonao nofisina
dia mitaky fiezahana
fa tsy iny lelo aisina
vao tsy eo misahana.
Izay azonao nofisina
dia mba mampitony
ny ora ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fitia-tsy-mety-ritra | Tsy mety ritra | Nosy Malala | Fitiavana tsy mety ritra,
Mihamazava, mibaliaka.
Fitiavana tsy mety lany,
Atolotro ho anao hatrany.
Ny fiainana tanaty taona maro,
Tsaroina mifangaroharo,
vao maika nanamafy ny tady,
Mamatotra ho mpivady.
Ireo fahiny, tsaroina hatrany,
Rehefa lasa ny vinany,
Sahirana ery, sa tsy izany akia,
Ny hamboraka i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-erica/tena-namako-ianao | Tena namako ianao | Haingo Erica | Tena namako ianao,
Fa tsy mandao n’aiza n’aiza
Tsy mba irony antsoina hoe sakaiza
Nefa manao toky fitaka
Rehefa sendra ny sarotra
Izy lasa misitaka
Tena namako ianao
Fa teo foana na dia androm-pahoriana
Tsy mba ireny atao hoe namana tiana
Feno fanomezan-toky sy tetik’asa
Fa vao mahita akanga tsara soratra
Di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aina-1/neny-a-aza-avela-hitoman | neny a!
aza avela hitoman | Ny Aina | neny a!
aza avela hitomany sy anaty fijaliana
fa mba omeo anjara amin'ilay tara masoandro
omeo anjara; eny na dia sombim-pifaliana
mba hoentiko miatrika ny tontolo andro
Raha mbola teto mantsy ianao
dia tsy nisy akory ny tomany
raha mba teto ianao fa tsy nandao
ity zanakao tsy mba nijaly
ilay dada mba nantenai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/antonny-fo | ANTON'NY FO | Fredy Jaofera | ANTON'NY FO
Ny anton'ny fo
dia saro-takarina,
na tsapa fa to
ny zavatra anarina.
Ny anton'ny fo
dia mamelom-pitia
tsy miamboho
fa mahery ho doria.
Ny anton'ny fo
dia tsy ho voarefy,
sady tsy ho lo
na ambara ho lefy.
Ny anton'ny fo
dia tsy azo kianina,
rehefa tsy voa,
mbola hahafanina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/o-ry-fireneko | O RY FIRENEKO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | O RY FIRENEKO!
hampianaro aho hitana ireo basy
hiarovako ity fireneko
fandrao, raha hisy ady atsy ho atsy
ny fahareseny no tsy mba ekeko
ny vahiny misoko mangina
miditra tsy ankieraera
isika eto samy variana
variana amin'ity ady seza
ny volamena efa mila ho fongana
ny andramena ity tapitra haondrana
ny toe-k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-misy-ny-fitiavana | REHEFA MISY NY FITIAVANA | Fredy Jaofera | REHEFA MISY NY FITIAVANA
Tsy misy izay tsy vita
rehefa misy ny fitiavana ;
mora hay ny mampita
ny andro ho fahasoavana.
Tsy misy izay tsy tody
rehefa misy ny fitiavana ;
ny haravoana mipody
raha niarahana finiavana.
Tsy misy izay tsy azo
rehefa misy ny fitiavana,
n'aiza n'aiza te hivazo,
ny foko izany te hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nitondra-fahatsorana | NITONDRA FAHATSORANA | Fredy Jaofera | NITONDRA FAHATSORANA
Nitondra fahatsorana
'rony ady nifandirana,
nanam-pahamatorana
nanova fo tsy mirana.
Nitondra fahatsorana
'reo sedra nolalovana
tsy maintsy nifotorana
fony kivy sy torovana.
Nitondra fahatsorana
ny tsy fifankatiavana,
na tsy afa-nanolorana
fa tsara ny mihavana.
Nitondra fahatsorana,
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mora-tonga | TSY MORA TONGA | Fredy Jaofera | TSY MORA TONGA
Tsy mora tonga ny teny
rehefa alahelo no tsapa
mameno ny fo ombieny
sy efa tsaroana mikapa.
Tsy mora tonga ny tory
rehefa tadiavina foana
ho lavitra ireo sorisory
ka mbola mahamoana.
Tsy mora tonga ny toky
rehefa tratran'ny fitaka,
hoy indrindra ny boloky
nitsoaka fa tsy nibitaka.
Tsy mora t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahantra-ambony-harena | MAHANTRA AMBONY HARENA | Fredy Jaofera | MAHANTRA AMBONY HARENA
Mahantra ambony harena
ny vahoaka malagasy
ka dia ory tsy hay fefena,
tsapa ho mangasihasy.
Mahantra ambony harena
ny mponina rehetra
ka miaina lava faharesena
sy kivy manjoretra.
Mahantra ambony harena
nefa tany feno soa
ka ny kiakam-pamonjena,
any an'efitra tokoa.
Mahantra ambony h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/anjely | Anjely | Ilay FANAMBY | Ilay anjely
Tovovavy iray,teny lavitra eny
No tazako mipetraka toa manirery
-Nahoana ianao? hoy aho nanontany
Nitompy izy nijery ,oay zato fiangolany!
hatsarana,habikana...meva re ianao ry andriambavy
Lafatra tsisy tsikeraina
Raha ny bika aman'endrika no lazaina
Fa iza kay ianao?
No lafatra toy zao
Fa de iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/bao-dia | BAO-DIA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | BAO-DIA!
jejo fitafy
jila fidola,
misarika maso.
kanto fijery
manintona saina
manaitra ny fo
ny fitafy tsy maontin(a)'
ny mpiavona anaty
indrisy ry Ntaolo
nankaiza ireo landy
havadika ho lamba
f'angaha efa haolo
no tsy mba mitady
izay mety ho sahaza
ireto tanora
variana midola!
toa takon-kenatra
manaf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamy-ny-fahafahana | MAMY NY FAHAFAHANA | Fredy Jaofera | MAMY NY FAHAFAHANA
Mamy ny Fahafahana
rehefa misy fiadanana
tsy azom-panavahana
amin'izay andehanana.
Mamy ny Fahafahana
rehefa fahasambarana
tsy azom-pamitahana
no io manarangarana.
Mamy ny Fahafahana
rehefa afaka ny hafa
no hetaheta mibahana
vao mba mety ny tafa.
Mamy ny Fahafahana
rehefa tsy mahita azy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kenda-roroka | KENDA ROROKA | Fredy Jaofera | KENDA ROROKA
Kenda roroka
ny toekarena
fa misoroka
ny novolena.
Kenda roroka
ny asa moana
fa midoroka
tsy ahoana !
Kenda roroka
ny toa tigetra
fa be koroka
ny mitoetra.
Kenda roroka
ny fivoarana,
eo an-tsoroka
ny nianarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mifamingana-sisa | MIFAMINGANA SISA | Fredy Jaofera | MIFAMINGANA SISA
Mifamingana sisa
no tonga amin'izay
fa tsy ho voatanisa
ny vato mahamay.
Mifamingana sisa
fa ho hita ny marina
hampiseho disadisa
mbola hampivarina.
Mifamingana sisa
fa hipoitra ny farany
tsy hahitam-paradisa,
na inona no fararany.
Mifamingana sisa
fa tsy nety ny tetika
hamonoana ny gisa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fo-vato | FO VATO | Fredy Jaofera | FO VATO
Aoka aho hielo
fa ny andro manorana,
sady tsy miato ;
fo tsy nalahelo
an'izay sedra nizorana,
ataoko fa vato ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mbola-alahelovana | MBOLA ALAHELOVANA | Fredy Jaofera | MBOLA ALAHELOVANA
Mbola alahelovana
'reo tsiky taloha
no mahatorovana
ka ory tokoa.
Mbola alahelovana
'reo tantara nisy
'zay ela narovana,
na any, indrisy !
Mbola alahelovana
'rony hirantsika
be fahatsiarovana
ka tsy sariaka.
Mbola alahelovana
fitia noravana
lavi-pahalovana,
na norarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mahay-manome | TSY MAHAY MANOME | Fredy Jaofera | TSY MAHAY MANOME
Tsy mahay manome
ny olona ampiana
fa maneso aza re
rehefa nihafiana.
Tsy mahay manome
'reo nizarana fitia
fa mandatsa ange
rehefa miriaria.
Tsy mahay manome
'reo tojo fiadanana
fa toa mihomehy
rehefa manana !
Tsy mahay manome
'reo nomena mamy
fa vao ny handeha
dia vava no tamy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/iny-olon-tianao-iny | INY OLON-TIANAO INY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | INY OLON-TIANAO INY
iny olon-tianao iny
aza omena tsiny
raha toa ka sarotony
mantsy izy efa tompon'ny
fonao manontolo
ka tsy tiany ho vorondolo
no handrombaka ny tiany
ka aza omena tsiny
iny olon-tianao iny
raha toa ka virjiny
dia hajao ny fahadiovany
fotsiny, mandrapaha-tongany
eny ambony alitara
ka mila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/traboina | TRABOINA | Fredy Jaofera | TRABOINA
Indrisy, traboina
ny tsy manan-kialofana,
ny antsoantsoina :
ny tany, aza tohofana !
Indrisy, traboina
ny any ambany tanàna ;
aoka tsy esoina
fa efa be fahasimbana.
Indrisy, traboina
ny milatsaka anaty rano
ka aza dontoina
fa efa idiran'ny angano !
Indrisy, traboina
ny mpiray tanindrazana
fa ver... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-erica/vavaka-ho-anny-firenena | Vavaka ho an'ny firenena | Haingo Erica | Raha mivavaka ianao
Ho an’ity Firenena
Mahantra , mahonena
Dia mivavaha koa
Ho an’ireo izay tia manilika
Sy manambaka ny madinika
Raha mitalaho ianao,
Ho an’ireo olona mitaraina
Marary, namoy ny aina
Dia mba tsarovy koa
Ireo tsy mba misy mpitsetra
Iharan’ny herisetra
Raha malahelo ianao
Noho ireo kamboty t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-erica/fiarahabana | Fiarahabana | Haingo Erica | Ny voalohan-teny dia izao
Fiarahabana no atolotro anao
Mankasitraka nandray ny fanasàna
Enganie isika mba samy ho salama
Manarak’izany ihany koa
Faly miarahaba anao tonga soa
Isaoratsika Andriamanitra Ray
Nampihaona antsika eto indray
Dia hoy aho manontany anao
Inona no maresaka sy vaovao?
Ny aty amiko tsy di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zay-iray-tonga | 'ZAY IRAY TONGA | Fredy Jaofera | 'ZAY IRAY TONGA
'Zay iray tonga,
tsy mitsinjo vahoaka
fa izy no donga
be soa mipoapoaka.
'Zay iray tonga,
toa tia tanindrazana
nefa somonga
mivoy fahavoazana.
'Zay iray tonga,
nilaza ny hahavita,
niova ny bonga
dia avy eo tsy hita.
'Zay iray tonga,
toa mahay mikabary
velezin'aponga
nefa dia izao ny vary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/rehefa-tia | REHEFA TIA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | REHEFA TIA!
aza miandry ela akory
fa avy dia akaikaizo
avy dia tomory
sy ankafizo
ny mamy eo imolony
ary aza manontany
izay mety ho antony
dia aza maminany
izay hakantony
sy ny tontolony
fa ... mitiava fotsiny
tiavo izay rehetra eny aminy
tiavo hatramin'ny rotsiny
izay mitantara ny sariny
ary rehefa tia
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitodiha | MITODIHA | Fredy Jaofera | MITODIHA
Mitodiha
any amin'ny masoandro
dia ao an-damosinao
ny aloka ;
matokia
ny Tompo isan'andro
dia tsy ho ny raorao
no hialoka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ny-alahady | Ny alahady | Nosy Malala | Ny alahady,
Alahadin'ny mpino izay miara mahita,
Nitsaharan'ny Ray noho ireo zava bita.
Raha Izy namorona izao tontolo izao,
Namboatra ny voary, ary izaho sy Ianao.
Ho fisaorana Azy sy fankalazana,
Tsy hitsaharana, raha mbola salama,
Handeha ampiangonana, hidera Azy,
Hanokana ny fo, hametraka ny ho avy.
Hifon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-erica/fiainana | Fiainana | Haingo Erica | Marina fa,
Somambisamby toy ny diavolana
Ny fiainana rehefa tojo olana
Toa tsy hita izay mangirana
Dia indro ianao mitady làlana handosirana
Aza taitra na mimalo
Fa fomban-javatra io, mandalo
Ekeko fa,
misy miaritra ny mafy
Isan’andro izao mihafy
Mitady hanome tsiny ny ao Ambony
Dia hoy ianao hoe, tsy vitako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsipaka | TSIPAKA | Fredy Jaofera | TSIPAKA
Tsipaky ny miala aina
ka tia manakorontana
sao tsy azo antenaina
ny kendreny havotana.
Tsipaky ny miala aina
ka manao izay ho afany
sao ho omby mangaina
sy aely ange ny jafany.
Tsipaky ny miala aina
ka dia nahavaky takotra
sao ny soa narahabaina
tsy ho avy handrakotra.
Tsipaky ny miala aina
ka mip... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-sakantsakana | NY SAKANTSAKANA | Fredy Jaofera | NY SAKANTSAKANA
Ny sakantsakana
nitohitohy vakana
nodiavina taloha,
nanavotra tokoa.
Ny sakantsakana
matin'akanakana
fony mbola zaza,
tonga heriko aza.
Ny sakantsakana
nahitana kankana
nampahory loatra,
afa-nampivoatra.
Ny sakantsakana
tsy nilana lakana
vao ho any indray,
azoko amin'izay ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/raha-vavolombelonny-mpia | Malala Fahizay | Antsa tononkalo.R | Raha vavolombelon'ny mpiasa ny bainga dia ny poeta ny boky, ny bainga dia tsy inona fa tany novakivakiana ary ny boky takelaka navadibadika. Ny tany no hovakivakiana dia mba hahavokaran'ny saha ary ny takelaka no havadibadika, maso te hanovo eritreritra. Eritreritra manahoana no azo eo ampamadibadihana takelaka, Malal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-tsara-tamintsika | IZAY TSARA TAMINTSIKA | Fredy Jaofera | IZAY TSARA TAMINTSIKA
Izay tsara tamintsika
dia sarotra hadinoina
rehefa nampandriaka
ranomaso novonoina.
Izay tsara tamintsika
dia mitahiry etoana
tantara mahasariaka
mbola azo irosoana.
Izay tsara tamintsika
dia harena lalandava
sy andro manjopiaka
mitondra ny mazava.
Izay tsara tamintsika
dia velona ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ampy-ahy | AMPY AHY | Fredy Jaofera | AMPY AHY
Ampy ahy ny tsiky
tamin'ireo takolaka
matoa namikiviky
sy tsy hita niolaka.
Ampy ahy ny tsara
tamin'ny tafantsika
matoa ange niafara
ho volana baliaka.
Ampy ahy ny tsiro
tamin'iny oroka iny
matoa nitondra jiro
tsy foy ankehitriny.
Ampy ahy ny tsiaro
tamin'izay lasa izay ;
avia ny foko, anaro
fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/moa-ve-azo- | MOA VE AZO ? | Fredy Jaofera | MOA VE AZO ?
Moa ve azo nitarainana
fony mafy ny fiainana
sa mainka nanavesatra
ny sedra ho inefatra ?
Moa ve azo nitokiana
fony be fitomaniana
sa poizina namono
ny tsara be ronono ?
Moa ve azo nifaharana
fony ratsy fandaharana
sa safidy diso etoana
vao inona irosoana ?
Moa ve azo nifikirana
fony ory sy s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo-erica/mba-vonjeo | Mba vonjeo | Haingo Erica | Mba vonjeo ry Tompo
Ity Tanindrazanay
Fa mandalo fitsapàna
Fitsapàna mahamay
Rano be sy rivo-doza
Vao tsy ela akory izay
Dia indro tamy koa
Inty atao hoe “ Batsirai ”
Amin’izay manao be fiavy
Tsy mba azo nosakanana
Tsy mba toy ny mpianakavy
Mety hamitranam-pihavanana
Koa na dia hiangaviana izy
Efa fantatro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-marina-3 | NY MARINA | Fredy Jaofera | NY MARINA
Ny Marina raha andaingana
dia mahatapi-dalan-kaleha,
indrindra rehefa ovaovana,
na misosa ny fiainana ange.
Ny Marina raha lotolotoina
dia mahavery hasina mora
rehefa izay no kolokoloina,
na antitra ianao na tanora.
Ny Marina raha fosafosaina,
mamotika ny hoavy, zareo !
Mandentika mahasavolaina,
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fisaka-ny-rariny | FISAKA NY RARINY | Fredy Jaofera | FISAKA NY RARINY
Fisaka ny rariny
ka saro-tadiavina
fa loza ny mariny
raha toa nolavina.
Fisaka ny rariny
ka nofotopotorina
fa mbola tsy ariny
ny efa mafy orina.
Fisaka ny rariny
ka nohamaivanina
fa efa namboariny
mba ho valalanina.
Fisaka ny rariny
ka takontakonana
tsy hisy ny sariny
eny am-bovonana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mamaly | TSY MAMALY | Fredy Jaofera | TSY MAMALY
Tsy mamaly faty
ny tena lehilahy
fa iretsy ambiaty
no mitaky tsiahy.
Tsy mamaly faty
ny fo noratraina,
namely ny saina.
Tsy mamaly faty
ny ngidy rehetra,
na hita poak'aty
ny soa mitoetra.
Tsy mamaly faty
ny sedra nahazo
fa amin'ny boaty
misy voninkazo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mpandrava | TSY MPANDRAVA | Fredy Jaofera | TSY MPANDRAVA
Tsy mpandrava
ny olona tsotra,
na mahory tava
ny ady mizotra.
Tsy mpandrava
ny olona tsara,
na tsy mazava
ny soa voarara.
Tsy mpandrava
ny olona hendry,
na voaeso lava,
misy mikendry.
Tsy mpandrava
ny olona ambony,
na mahazo vava
mamely ny fony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kitakitaina | KITAKITAINA | Fredy Jaofera | KITAKITAINA
Kitakitaina
fa dia kamboty ;
fosafosaina
ka diso angoty !
Kitakitaina
fa hanahirana ;
tabatabaina
tsy ho mirana.
Kitakitaina
fa very havana ;
lazalazaina
fa tsy fitiavana.
Kitakitaina
fa osa marina ;
lelalelaina
ka tsy itarina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tokim-pitia | TOKIM-PITIA | Fredy Jaofera | TOKIM-PITIA
Ny tokim-pitia
dia tsy miovaova
fa tena mangia
raha anjara lova.
Ny tokim-pitia
dia matotra ange
tsy mampahia,
na aiza mandeha.
Ny tokim-pitia
dia vazo sarobidy
sy feom-baliha
'zay mba nofinidy.
Ny tokim-pitia
dia jiro mitaratra
ny eto, mifalia
fa tsy ho varatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy-olona-tsara | REHEFA TSY OLONA TSARA | Fredy Jaofera | REHEFA TSY OLONA TSARA
Rehefa tsy olona tsara
no itokisana
dia hanimba anjara
nanofisana...
Rehefa tsy olona tsara
no iarahana
dia ho ratsy fiafara
ny hibahana.
Rehefa tsy olona tsara
no tiavina
dia be soa voarara
ny diavina.
Rehefa tsy olona tsara
no ananana
dia tsy ho amboara
ny fiadanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/reny | RENY | Fredy Jaofera | RENY
Ny reny
no tia anao
mandrakizay ;
ekeny
ka dia hajao
fa tsy diso izay. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/alahelo-tsy-ambara-havana | ALAHELO TSY AMBARA HAVANA | Fredy Jaofera | ALAHELO TSY AMBARA HAVANA
Alahelo tsy ambara havana
dia zakan'ny tompony ihany,
na bitika etoana na goavana
ka mampisento tsy hita lany.
Alahelo tsy ambara havana
dia mampisosa ny fiainana,
na dia tsy mahazo fitiavana
na tsy misy ange itarainana.
Alahelo tsy ambara havana
dia mampitony eto mangina
fa izao fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/ilay-notiaviko | ILAY NOTIAVIKO | Ravanondrazana | ILAY NOTIAVIKO
Mahantra izy iny, ekeko!
"Mahantra mahamenatra" hoy ny namana maneso.
"Fa nga dia iny mihitsy?" hoy kosa ny atsy ankilany.
Dia lasa teo ny saiko hoe: mba iza re no iankinany?
Raha samy hanao izany, amin'ny olona tahaka azy
ny manana fanana 'zay mihoatra noho ny ananany.
Kanefa na dia izany, tsy re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/ho-ani-neny | Ho an'i neny | anarim | A Neny, la mia mamma di cuore
Telo taona lasa izay raha nifanao veloma isika,
Dia tena am-pitsikiana fa hoe mbola hifankahita…
Kanjo, indrisy, ankehitriny, ny ranomasoko tsy ritra
Fa ianao hoe làsana any, izaho aty mipitrapitra…
Izato saiko toa tsy mino na dia hoe anarako aza
Fa mitady lalan-kafa, mody adala toy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tombon-tsoa | TOMBON-TSOA | Fredy Jaofera | TOMBON-TSOA
Tombon-tsoa iraisana
ny harenan'ny tanintsika
anefa mahazo faisana
ny olo-miaina ka mihika.
Tombon-tsoa iarahana
ny vokatra azo lalandava
anefa hatreto avahana
ny mitrongy ka tongava.
Tombon-tsoa mafonja
ny manambatra ny maro
anefa moa kely monja
ny eritreritra mahatsiaro.
Tombon-tsoa iadanana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hasambarana-2 | NY HASAMBARANA | Fredy Jaofera | NY HASAMBARANA
Ny hasambarana
dia avy hisoko
any anatin'ny onja
rehefa hisantarana
ny efa ninoako
fa tsy nofy monja. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-lasa | NY LASA | Fredy Jaofera | NY LASA
Ny lasa nisy haravoana
no mbola tsarotsaroana
fa fahazazana niainana
tsy nanimba fisainana.
Ny lasa nisy ny rindra
no tsy foiko indrindra
fa lavitry ireo tebiteby
sy 'rony mandrebireby.
Ny lasa nisy fiadanana
no nanao hananganana
ny lamina mandrakizay
hahatretrika lava indray.
Ny lasa nisy an'Ikaky... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-ianarana | MILA IANARANA | Fredy Jaofera | MILA IANARANA
Mila ianarana
ny mitondra tena
vao ho fivoarana
amin'izay jerena.
Mila ianarana
ny mahay miaina
vao hasambarana
no azo antenaina.
Mila ianarana
ny mijery ny hafa
vao mba hifarana
ny manimba tafa.
Mila ianarana
ny misaina tsara
vao hisantarana
ny soa ambara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hevi-petsy | HEVI-PETSY | Fredy Jaofera | HEVI-PETSY
Mbola hevi-petsy,
tsy am-pitiavana
ny azy, lehiretsy,
no ahatongavana.
Mbola hevi-petsy
tonga manorisory
fa mila roa hetsy
vao mba tafatory.
Mbola hevi-petsy
tsy hita antenaina,
jereo etsy ho etsy
fa mahasavolaina.
Mbola hevi-petsy
mahamenatra ery ;
aoka aloha, leitsy,
fa mahory hatraty. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/finidy-nyandry/ny-tena-fahaleovantena | Ny tena fahaleovantena | Finidy NyAndry | Raha mbola misy aina
azo ampiasaina lesy....
fadio ny ho resy an-ady,
fadio ny hamoy fo
Mitraká ialahy fa bandy dia
tsarovy ihany koa
ireo tolona natombok'ireo razanao taloha
nitaky fahafahana
aza atao ambanin-javatra
fa raha izy no nanomboka dia
aoka kosa ialahy no hamarana
hitolona hoan'ny zo aman-kasin'ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kivy-ny-mponina | KIVY NY MPONINA | Fredy Jaofera | KIVY NY MPONINA
Kivy ny mponina
fa tapaka lava ny jiro ;
izao tsy foronina,
ny aty ange mba idiro.
Kivy ny mponina
fa tapaka lava ny rano ;
tsy hay tononina
ny jaly misy isan-trano.
Kivy ny mponina
fa tapaka lava ny tsaky ;
sarotra angonina
'zay tena ilaina malaky.
Kivy ny mponina
fa tapaka lava ny vola ;... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rahaa-lomorina | RAHA LOMORINA | Fredy Jaofera | RAHA LOMORINA
Raha lomorina,
aoka ho tsorina
fa simba daholo
ny soa voakolo.
Raha lomorina
dia tsy miorina
amin'ny marina
ity ampiharina.
Raha lomorina,
tsy hay esorina
ny haratsiana,
na rahoviana.
Raha lomorina
dia izay zorina
tsy hita ho diso,
na toa masiso ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mahazaka-ny-marina | TSY MAHAZAKA NY MARINA | Fredy Jaofera | TSY MAHAZAKA NY MARINA
Tsy mahazaka ny Marina
ka tsy tsara saina ;
tsy hay anarina
ka miferinaina.
Tsy mahazaka ny Marina
ka manakorontana ;
tsy azo amboarina
fa aleo ongotana !
Tsy mahazaka ny Marina
ka tsy tafapetraka ;
vao nikasa hiarina
dia indro ketraka.
Tsy mahazaka ny Marina
ka dia mibolisatra ;
t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avelo-nidor/tononkirani-solomona-84 | Tononkiran'i Solomona | Avelo Nidor | Aza manamorona ny lanitra iny akory
Fa raha taitra ange ny fo ka mora mitomany
Aza mbola fohazina ny nofy raha matory
Ny anjaranao tsy very fa mbola any ho any
Aza tia mamaky ny mason’olo adala
Aza tia mitsimpona ny tsiky raraka iny
Aza maika hiteny raha mbola tsy mahalala ilay ao anatinao
Misy Andriamanitra m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-anaty | NA ANATY... | Fredy Jaofera | NA ANATY...
Na anaty rano,
ny entana rehetra,
tsy hiova trano
no tena tarigetra.
Na anaty fotaka,
ny lalana itsahana,
efa valovotaka
ka mora avahana.
Na anaty voly,
ny tongotray izao,
tsy mba ngoly
rehefa, hoe, natao.
Na anaty jaly,
ny andro iainana,
mbola mifaly
sy tsy itarainana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/sanatria-raha-hisy | Sanatria raha hisy | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Hatramin'izay aho niantso tiana,
Fa tsy nataonao nisy vidy.
Ireo fihafiako tsy voaisako niniana,
Tsy nasianao tombam-bidy.
Izao voarovitro ny zaitra,
Izay nataoko tsara kolo,
Namehezako ny tsara rehetra,
Izay hoe omeko anao daholo.
Moa ve izaho no tena jamba,
Ka tsy mahita ny ataonao.
Fa mody fanina aho, f'an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ratsy-fiainga | RATSY FIAINGA | Fredy Jaofera | RATSY FIAINGA
Ratsy fiainga
ny momba antsika
ka izaho, hadinoy :
any be lainga
raha nampasiaka
ny tafa, re roy !
Ratsy fiainga
ny fikasana hitia
ka veloma ianareo ;
tsy ny bainga
no ho azo ho doria
ka avelako eo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/any-alaotra-any | ANY ALAOTRA ANY | Ravanondrazana | ANY ALAOTRA ANY
Manerika ny aty e! Mahalasa inty vinany
Mandefa ny fisainako hisidina mankany.
Any antsihanaka any, any alaotrako any!
No mbola misy ny hoe
Miteny rehefa lany ( fa tsy mbola voky ).
Mba hanampiana vary;
Fangarom-boanjobory na ny tsaramaso;
Ampiana ro matsatso,
Tsy an-kanampy vola...
Ny fiainan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-atakaloko | TSY ATAKALOKO | Fredy Jaofera | TSY ATAKALOKO
Tsy atakaloko anao
'zay volamena
tsy maharitra vao
very harena.
Tsy atakaloko anao
'zay diamondra,
na be vidy toy izao
fa tsy apondra !
Tsy atakaloko anao
'zay lapa soa,
na mamiratra ny ao
sy tsara moa.
Tsy atakaloko anao
'zay fiara tiana,
lafatra ery ka andao
hiray fifaliana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/serge-tsiafera/omeo-lohateny | Omeo lohateny fa manina loatra aho | Serge Tsiafera | Any izay ianao ry malala,
mbola voatazona any alavitra any
Malahelo anao tokoa ty foko kely adala,
tsy afa-manoatra izy ka mitomany
Miezaka hatrany aho mahandry anao,
na dia ataoko somary mijaly aza
Satria efa nomenao toky feno,
dia miaritra izay maharary aty
Modia amin'izay moa ry tiako,
fa ho faty irery ato ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nofy-intsony | TSY NOFY INTSONY | Fredy Jaofera | TSY NOFY INTSONY
Tsy nofy intsony
'zay notadiaviko
raha amin'itony
no tena tiaviko.
Tsy nofy intsony
'zay nanahirana
rehefa mamony
raozy hifikirana.
Tsy nofy intsony
ny hasambarako
ka injao mitony
'reo hasasarako.
Tsy nofy intsony
izy ity ka topazo
fa mihira ny fony
ary izaho mivazo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mihoatra-ny-mafy | MIHOATRA NY MAFY | Fredy Jaofera | MIHOATRA NY MAFY
Mihoatra ny mafy
'rony vava nafafy
fa tantin'ny saina,
na tsy tantaraina.
Mihoatra ny mafy
'tony ratra natafy
fa zakan'ny taona
nandao ny saona.
Mihoatra ny mafy
ny sedra nandavo
fa tsy nampihafy
ny foko ny hiravo.
Mihoatra ny mafy
ny fery nananana
ka dia aty andafy,
mitady fiadanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nalahelo-ihany | NALAHELO IHANY | Fredy Jaofera | NALAHELO IHANY
Nalahelo ihany
ny foko naratra
rehefa nankany
fa nivatravatra.
Nalahelo ihany
tamin'ireo vava
namely hatrany
ka be no rava.
Nalahelo ihany
tamin'ireo fosa
tia nanambany
ka kivy kosa.
Nalahelo ihany
tamin'ireny ady
nivatsy tomany
ka dia nivoady. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tantely-an-tanam-boka | TANTELY AN-TANAM-BOKA | Fredy Jaofera | TANTELY AN-TANAM-BOKA
Tantely an-tanam-boka,
tsara ihany fa mahatsiravina ;
ilaozako fa manodoka
ka aza taitra raha nolavina.
Tantely an-tanam-boka,
mamy ange fa mampihataka ;
tsy mila azy 'rony foka
ka hatraty avy tsy hangataka !
Tantely an-tanam-boka
soa iray fa manelingelina ;
nofinofy re ny higoka
vao m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mikorosy-fahana | MIKOROSY FAHANA | Fredy Jaofera | MIKOROSY FAHANA
Mikorosy fahana
ny fiainam-pirenena
ka dia mibahana
ny jaly tsy hay fefena.
Mikorosy fahana
ny toepanahy miseho
ka tsy misahana
ny takina eo no ho eo.
Mikorosy fahana
'tony asa tanterahina
ka tsy ahafahana
hahomby, na arahina.
Mikorosy fahana
ny fialamboly maro
ka dia ivavahana
hiova fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/namitaka | NAMITAKA | Fredy Jaofera | NAMITAKA
Namitaka ahy
ny fitiavako anao
ka aleo, lahy,
hiala sy handao.
Namitaka ahy
ny toky nandriana
fa tsy nanahy
anao, na rahoviana ?
Namitaka ahy
ny tsiky niarahana,
tsy nahasahy
nanao fanebahana.
Namitaka ahy
ny saina nironana
tsy mosalahy
f'efa niombonana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hatreto | HATRETO | Fredy Jaofera | HATRETO
Hatreto ny teny
dia tsy tanteraka,
kobaka ombieny
tena mandreraka.
Hatreto ny vina
dia nofy hatrany,
tsy hay itokiana
ka izao ny tany.
Hatreto ny vola
dia tsy mipoitra ;
ny olona re tola,
na tsy mitsotra !
Hatreto ny vary
dia hentona moa
ka io miharihary
ny jaly mahavoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-andro-mitory | NY ANDRO MITORY... | Fredy Jaofera | NY ANDRO MITORY...
Ny andro mitory
hasambarana
rehefa misy fitia :
vao tsy sorisory
no isantarana
ny izao, matokia.
Ny andro mitory
fahasoavana
rehefa misy lalaina ;
ny foko tsy ory
fa mihavana,
mora ery arahabaina.
Ny andro mitory
fandihizana
rehefa misy mozika
tsy laviko akory,
na mamizana
fa efa ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mpamaha-ny-fatorako | MPAMAHA NY FATORAKO | Ravanondrazana | MPAMAHA NY FATORAKO
Ry dada malala, sakaizan'ny foko a!
Misaotra nitaiza an'ity jiolamboto...
Nivily any ankady, nidiran'angano aho
vao tonga saina ny hody ato an-trano.
Nanarin'ny fiainana mantsy aho ry dada,
satria tsy nihaino irony anatra am-bava
nasesikao tamiko hatramin'ny fahakely.
Tantano aho ry dada, fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/talenta | TALENTA | Fredy Jaofera | TALENTA
Isika rehetra
samy manan-talenta
tsy voafetra,
na tsy mitovy lenta. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/fianara | FIANARA | Ravanondrazana | FIANARA
Ny Alahady fahatelo
Faha valo ambin’ny folo ny volana Aogositra
Sivy ambin’ny folo sy roa arivo mantsy no,
Andro fahatsiarovana, fotoana iray nanoritra
Inty ankehitriniko sy ny ho aviko atsy ho atsy.
Fotoana fohy kanefa miraikitra ato an-tsaiko
Ilay hadalana niakatra vao tojo anao ry tiana.
Ny dingana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/atolotra-ho-ani | ATOLOTRA HO AN'I | Ravanondrazana | ATOLOTRA HO AN'I
Miarahaba lesy nahatratra ity tsengerin'
taona nahaterahan 'lah ry bandy akama.
Ny ezaka sy kiry no tsiaro mitamberina
Vao resaka fianarana sy resaka tanàna
no asina teny kely hanembonana ny lasa.
Fa tao Ambato tao ilay isika mba nikasa...
Tao isika nianatra voalaza hoe: "mahay"
Satria moa sian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/manoratra-tantara | MANORATRA TANTARA | Ravanondrazana | MANORATRA TANTARA
Etsy aloha fihiniko inty vatanao mahia,
Avy eo bataiko kely...
Mihanoka ity andro hisambarana fitia.
Ny masonao mijery? te hiteny zavatra!
Hita te hanapatra ilay fanirina fatratra.
Mampite anongo ny andilanao malala,
Safoiko kely midina...
Izaho tsy te ahalala ny tànako an-kavia:
Efa zatra mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/iarivo-tondradrano | Iarivo tondradrano, | Nosy Malala | Iarivo tondradrano,
Ndryyy ! ity Iarivo tondradrano,
Ny maso no manganohano,
Lay tafiotra "Ana" nandalo,
Nandavo ireo tanana maro.
Fako va no nahatonga azy io ?
Miezaha hono mahalala madio,
Hatramin'ny toerana avo sy ambany,
Ahiana koa ny firotsahan'ny tany !
Dia mamaly ny hafa, samy Malagasy,
Iza no nanome... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy/tsipalotro | TSIPALOTRO | Fredy Jaofera | TSIPALOTRO
Tsipalotro izy omaly
fa dia tsy nahita
ka ny ainga voakaly,
tonga dia vita !
Tsipalotro izy omaly
fa tsy nahalala ;
ny fo anefa dia faly
mandra-piala !
Tsipalotro izy omaly
fa tsy tafaraka,
izahay moa voangaly,
na aty tararaka.
Tsipalotro izy omaly
fa tsy nihaona ;
venteso kely antsaly
tsy re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anaty-fahatadidiana | ANATY FAHATADIDIANA | Fredy Jaofera | ANATY FAHATADIDIANA
Anaty fahatadidiana
dia misy alahelo lalina
nahay nampikoriana
tomany isaky ny alina.
Anaty fahatadidiana
dia misy sedra mipoitra
mitondra fanaviana
rehefa ambara tsotsotra.
Anaty fahatadidiana
dia misy ratra mivoaka
mbola fangirifiriana
tsy mba mety mitsoaka.
Anaty fahatadidiana
dia m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-orana | TONDRAKY NY ORANA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TONDRAKY NY ORANA.
Tondraka ny tany!
dibo ny tanàna!
oram-batravatra
no nianjera tany ho any
ny akany nahatamana
indreny, rava indray maka
Ny kely mba natsangana
toa potika tsy niangana
angamba...
entin-katezerana va
ny tompon'ny natiora,
no toa manary rano
an'habakaba manga?
sa ny alahelon'ny Mpahary
no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-aina/hafahafa-ilay-fitia | Hafahafa ilay Fitia! | Ra-Aina | Manaika aho fa adala
Ny minia tsy mahalala
Saingy indrisy tsy afa-miala
Mitia anao tsy misy mpahalala
Efa nataoko avokoa ny rehetra
Mba hamonoana ilay fitia
Kanefa indrisy nandroretra
Vao maika ity izy niriharia
Zay ezaka avy aminao tsy haiko
Ny tena marina tsy tiako ho sainina akory
Ndrao mety hankarary ny a... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.