url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miboridana | MIBORIDANA | Fredy Jaofera | MIBORIDANA
( Tany amoron-dranomasina no nanoratana an'ity tononkalo iray ity )
Taitra aho, ry nono,
fa ngeza dia ngeza ;
tsy mba honohono
ka dia manomeza !
Izany re ka vatana
manainga hikitika,
na tsy mivantana
sy ho kely bitika.
Zahao ange ny fory
fa manaitra ho azy ;
tsy laingako akory
na, hoe, vazivazy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-iray-fotsiny | TENY IRAY FOTSINY... | RRAG | TENY IRAY FOTSINY...
Mandravaravan'ny efa ny setran'alahelo
mifikitra tsy miala anaty velon-tsento...
Injany fa miahy mafy, ny rivo-mihelohelon’
ny nisy sy tsy vita ka zary kalom-betso!
Mihiaka ny fanahy, mitroatra mafy hiady!
Kanefa raha ny fo dia nilavo ho resy sahady!
Manoto an-tandro-mongo, ny lasa sy ny ets... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/andro-farany | ANDRO FARANY | Ravanondrazana | ANDRO FARANY
Indrisy, sombiniaina...
Hitako eto mihitsy ilay, ianao sahiran-tsaina
Raha mahare ny hafatry ny antso antarobia:
Miangavy mafy anao, mba hody maika aty...
An-tranonao taloha, fony niara-niombom-po.
"Andeha dia ho hita eo fa atao ahoana moa"
Hoy ianao mitebiteby, tsy sahy ny mitaraina.
Fa tsy ela: v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tranom-pitaka | TRANOM-PITAKA | Fredy Jaofera | TRANOM-PITAKA
Tranom-pitaka
ka misaritaka
ny eritreretina
sao ho aretina.
Tranom-pitaka
ka tsy mibitaka
fa ketraka irery
toa olom-bery.
Tranom-pitaka
ka miparitaka
'reo toky maro
vao atambaro.
Tranom-pitaka
ka ny misintaka
no mety kokoa,
sady mahasoa ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/andro-voalohany | ANDRO VOALOHANY | Ravanondrazana | ANDRO VOALOHANY
Asa ianao raha mahatsiaro, ny lasantsika roa
Rehefa injay migadona, ny andron'ny Alahady.
Tsaroako tsara koa, fa tamin'izaho nafàna fo,
Navitrika ny miangona, fa te handresy an'ady.
Fotoana tsy nampoizina no nampiray antsika,
Tamin'ny làla-miakatra fizoran'ny mpiangona.
Ianao tsy nisy namana voam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamanantena-solofo-jaona/fanantenako | FANANTENAKO | ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona | Mino aho Tompo O!
Fa ireo fahotana maro izay vitako
Ho fafanao madio tsy ho hitako
Ka ireo lasako izay tena nahamenatra
Indro voadio ka tsy nampitsanga-menatra
Matoky aho Tompo O!
Fa ny fiainanay manomboka izao
Tsy hiala lavitra fa eo antananao
Ka na ho fifaliana, na koa tomany.
Dia miara-mandeha Aminao hatran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/david-andrianalaina/manantena | Manantena | David Andrianalaina | Manantena
Indray andro any hamiratra
Izay no mba hirahiraina
Nefa ity jaly miha-mitatra
Amin'iza no mba hitaraina
Raha tsy namiratra masoandro
Fa vonton-tomany ny tena
Nandrin'ny tontolo andro
Kanefa toa mbola manantena
Manantena fifaliana
Fiadanana sy herin-tsaina
Na dia mafy fiafiana
Herim-po tsy ho very ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nofoanako | NOFOANAKO | Fredy Jaofera | NOFOANAKO
Nofoanako ny anarany
tsy hanako eto intsony
rehefa hita fa nararany
ny soa raha tsy mitony.
Nofoanako ny fitiavany
nantenain-ko fiadanana
rehefa maro ny vavany
no tsy azo nosakanana.
Nofoanako ny safidiny
nisy zavatra azo ekena
rehefa indro ny ngidiny,
nahakivy tsy hay fefena.
Nofoanako ny maminy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teto...-01-oktbra-2021 | TETO... | RRAG | TETO...
Nisy peni-nikorisa,
namborahan'alahelo...
Nisy ranomainty ritra,
vao hany ainga andalan-telo...
Nisy taratasy rovitra,
raha nisy ny tsipelin-diso...
Nisy saina nihovitrovitra,
nanonofy izay ho ampitso...
Saingy teto,
nisy ranomaso latsaka...
Ary ho eto,
ihany koa ny fo no hitsahatra! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izay-ianao-ve | IZAY IANAO VE? | RRAG | IZAY IANAO VE?
Sanatria manambany fa 'zay aloha no tazana,
hoe ianao manenjika, votsa famindra!
Ka ny fanaratsiana no indro mibahana,
fa raha teti-piady tsy manam-boarindra!
Aza tsiny aminao ry 'lay mpankahala,
hiroso ihany aho na hinianao finganina!
Ho fahadisoako ve ny hoe hanadala,
anao mpitakoritsoka amin-j... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mihinanny-ahamaminy | MIHINAN'NY AHAMAMINY... | RRAG | MIHINAN'NY AHAMAMINY...
Tsy misy tsara mihoatra fitia,
fa rehefa tiavina mahatsapa ho fatratra.
Finaritra ery ny mampiara-dia,
satry io tsy hiato na ho hatrany am-pasana.
Miaina ny fo raha sendra ka tia,
na sendra voadona aza mahay mionona!
Lafatra tsisy fihatsarambelatsihy,
mahatoky tena fa tsy vavan'olona!
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vonjy-rano-vaky | VONJY RANO VAKY | Fredy Jaofera | VONJY RANO VAKY
Vonjy rano vaky
no niangviana anao
kanefa nahasaky
namely tsotra izao.
Vonjy rano vaky
fa tra-boina marina
kanefa re nalaky
ny fosa nampiarina.
Vonjy rano vaky
fa tsy nahavita tena
kanefa 'zay taky
tsy nisy famonjena.
Vonjy rano vaky
fa kamboty tampoka
kanefa tsy jaky
ny fitia ka niantok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-manjakely | I MANJAKELY... | RRAG | I MANJAKELY...
Manaitra ny maso tia tazantazana,
ny bika aman'endrik'i Manjakely!
F'indrisy ny am-bavany, ny fandavam
-pitia, no lasa am-betin-teny!
Fitafy manintona maso hivily,
ilay zipo fohy hila hanasa-pe!
Mangala-pijery sy mitilitily,
milela-molotra ity ramose!
Fa i Manjakely miava-pihaingo,
manaitra mat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eo-mitomania | EO! MITOMANIA...! | RRAG | EO! MITOMANIA...!
Zanako! Tsy akory ianao hoe dondrona
raha sendra tsy tafitan'ny ady iray monja.
Fa fotsiny ry aiko, angamba mbola tsy vonona,
hisedra sy hamaky fifotofoton'onja!
Mbola zaza saina ka tsy mahay biby,
ankoatra irony sahona mihoga vao maraina!
Sady tsy nahatsiaro, tena tsy nahatadidy,
'lay teo an-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/enjana-ity-covid-ity-raha-navoakako-taminny-pejiko-taminny-tambazotra-iray-ity-tononkalo-ity-dia-nikatona-ilay-pejy-ary-tsy-afaka-nampiasaiko-intsony.-ilay-hira-bemangovitrani-nanahary-no-manosika-ahy-hamoaka-azy-ity-indray.-anisanny-lova-mira | ENJANA ITY COVID ITY | Nosy Malala | ENJANA ITY COVID ITY !
Enjana ity covid ity, tsy hita izay aleha,
Vetivety foana ny vatana, dia toa reraka be.
Tsy maheno tsironkanina, mangatsika,
sempotra, mivalana, tsy afaka mihiaka...
Mandeha haingana hopitaly, nefa indrisy,
Be dia be ireo marary, ny toerana tsy misy.
Ny oksizenina aza moa ifampitadiavana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mila-maka-aina | MILA MAKA AINA... | RRAG | Indro aingam-piarahabana anao ry Neny malala amin'izao fitsingerenan'ny taona nahaterahanao izao:
MILA MAKA AINA...
Tsy sasatra ny foko, ny hivetso am-pikaloina
ny anaranao fiantsoko, ry Neny tiako indrindra.
Ny anatranatrao no ampingam-pandrosoana,
porofo tsy voafafa, sy voa mora hafindra
amin'ireo taranakao, hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/fitia | FITIA | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Tsy hananako ny teny
Hilazako ilay fitiavako
Fa efa fantatrao ireny
Na tsy hilaza aza ny vavako
Izao tsy hanolo-bonikazo
Fa ny foko no omeko
Azoko antoka tsy halazo
Ka hahefa izay kendreko
Izaho tsy manana harena
Mety hahafa-po anao
Fa fitia no volamena
Zay natokako ho anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/naleoko | NALEOKO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | NALEOKO
naleoko ihany
nitia anao mangina
tato anaty ny foko
dia tsy nisy tomany
na fahoriana
izay mampitoloko
naleoko mihitsy
ninia tsy nijery
ny hakantonao
fa saronako tsiky
amin'izay mistery
ny fitiavako anao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/embona | Embona | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Toa manjavozavo iry tampon' Ankaratra
Hatonin' ny masoandro mamonjy fodiana
Mamboly embonembona zary ho hafatra
Fa malahelo ilay tany nihaviana
Irahan' ireo sentosento sy tsiahy.
Ny alahelo sy embona efa nandalo
Ireny sy ireny no naniraka ahy
Hamorona rindra ho atao tononkalo
Iry lokon-danitra antampon' ny bong... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/niangaranao | Niangaranao | Lee Andrianalaina | Niangaranao
Niangaranao aho ry tany
Fa sento lava no iainako
Niangaranao ka tomany
Nefa iza no itarainako
Niangaranao aho ry vintana
Ka very anjara nantenaiko
Tsy tazako intsony ny kintana
Izay nampaherezako ny saiko
Niangaranao aho anjarako
Ka tomany misasak'alina
Manembona ireo tantarako
Mahatonga ilay se... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-sy-irony-ary-iretsy | ILAY SY IRONY ARY IRETSY | RRAG | ILAY SY IRONY ARY IRETSY
Iny fahatsorany iny, tsy midika halemena,
fa hery mampitraka azy, eny am-pisedrana fiainana.
Irony ranomaso latsany, tsy nisy tsiky notefena,
fotsiny fery efa nilona, saingy tsisy nitarainana!
Dia ny fanahiny no nitafany, k'injao niteniteny irery,
toy ny adala tsy misaina, mimonomonana ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tily-aho-rise | TILY AHO R'ISE | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TILY AHO R'ISE!
tily aho r'ise a!
tily toa an'ise
tily tena vonona
ho tarafim-piarahamonina
ho maha te ho tia
fa tsy sanatria
ilay tily,
handeha hivily
hivarina any an-kady
fa hijoro tena kiady
ho an'ny fikambanana
eny ho an'ny tanindrazana
tily aho r'ise a,
tily toa an'ise!
tily hatrany hatrany
eny hat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/laharam-pahamehana | Laharam-pahamehana | Nosy Malala | Laharam-pahamehana,
Tovolahy kely roa,
Nahavaky fo tokoa.
Nantsoina hisakafo,
Nampilatsa-dranomaso.
Nivatsy haro kely,
Nipetraka nijery.
Niandry ny anjarany,
Ho entiny any antranony.
Izy ireo mantsy, dia noana sy mijaly,
Nandraraka anaty arokely ilay vary...
Atsasa-bilia... ho an'ny any antrano,
Zava nisy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mamendrofendro-fotsiny | MAMENDROFENDRO FOTSINY... | RRAG | MAMENDROFENDRO FOTSINY...
Tinapaka eto izany ny tady hifamatorana,
sa mbola misy hatohy ny kinaiki-boalavo?
Aiza kosa ve vao, aty am-panombohana,
dia mibaby trosa, resy ka nalavo?
Nikaro-pandresena sa nikiry hamotipotika,
no dia minitra farany, no hanolo akoho mpiady?
Paika avy aiza ilay, minia mandrotirotika,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/diavolanaembona | DIAVOLANA, | Ilay FANAMBY | Diavolana,
Rehefa diavolana ny alina,toa hitako foana ny tavanao
-taratin'ny volana mazava eny anelanelan-trano
-iny ianao mihazakazaka miangola ery manatona:malala Ô tatano
Rehefa diavola de toa hitako zato fijerinao
-mitopy eny anabakabaka mibanjina ity volana feno manana
-toa te hiteny enao hoe:malala Ô,raha m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/antso-avo-nosoratana-niaraka-taminilay-tononkalo-enjana-ity-covid-ity | ANTSO AVO ( nosoratana niaraka tamin'ilay tononkalo "Enjana ity covid ity" | Nosy Malala | ANTSO AVO...
Ry Malagasy maneran-tany,
Izaho dia olon-tsotra ihany.
ANTSO AVO no ataoko androany,
Raha mbola misy any ho any....
Olona vonona hanampy,
Ireo mpiray Tanindrazana Malagasy.
Betsaka ny marary, misy koa ireo maty !
Sahalamin'ny miandry, izay ho fipoakan'ny basy !
Fantatra fa be, ny tsy te hanampy i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-maka-toerana | REHEFA MAKA TOERANA | Fredy Jaofera | REHEFA MAKA TOERANA
Rehefa maka toerana
ny alahelo ato am-po,
tsy misy fanaperana
ny sento izay manjo.
Rehefa maka toerana
ny disadisa nanadala,
mitranga ny fitserana
sy toa tsy mety miala.
Rehefa maka toerana
ny ratra hatramin'izay,
tsy tsapa ho miserana
fa mamely eto indray.
Rehefa maka toerana
ny Lasa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/ny-mety-amintsika | NY METY AMINTSIKA | AnjaraNivo | NY METY AMINTSIKA
Mahazo mifona raha toa mahatadidy,
Mahazo mangataka ho namana indray.
Fa raha ny fitiavan'ny foko efa mihidy.
Efa mikatona ho an'olona iray!
Tsy azo vohaina hitia izay nivoaka
Tsy azo iverenanan'ny lasa tsy tana.
Fa ato efa feno fitia ny kapoaka
Tsy foiko ho tampohana rano mafana.
Tsidiho i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faharoa | FAHAROA… | RRAG | FAHAROA…
Tokoa moa izany!
Sinaingy re mitepo,
tsinapa mitomany,
'lay fony velon-tsento.
Mihika ny fanahy,
lasa ny ambiroa!
Nisinda ny ahiahi
-ny nitoetra tao am-po.
Fa teo no niandoha,
‘lay fiainana faharoa! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-rony-tsy-ventiny | TSY RONY, TSY VENTINY... | RRAG | TSY RONY, TSY VENTINY...
Tsara tokoa 'kia ny any a!
Lafatra sy manjopika.
Sady toa tsy mahalala izany,
antony nampahantra antsika!
Ny nofiny dia ny hita rano,
hijery ny fiainam-bazaha!
Fa 'zay ianao miditra angano,
iza moa no hiraharaha?
Ny an'ireny ny hohanina anio,
efa tamin'ny razambeny no hita!
Fa isika ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voambaka | VOAMBAKA… | RRAG | VOAMBAKA…
Mitia dia hoe milefitra,
itsahina sotaina dia mbola indrao mandefitra!
Vy ve ka tsy haheno marary izato fo?
Sa kosa raha tsy izany dia, tsy be mokondoha?
Namana dia hanaiky tsisy fetra,
ireo karazam-panambaniana, miary ireo soketa!
Hilefitra amin’ny setra hiniana hatota.
Fa moa, hananan’iza trosa?
Ki... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-mino | REHEFA MINO | Fredy Jaofera | REHEFA MINO
Rehefa mino,
misy fahagagana
ka halamino
ny saina mitana.
Rehefa mino,
misy famonjena,
ka hamasino
izany fa harena.
Rehefa mino,
misy fahatokiana
ka hamarino
tsy ho fanahiana.
Rehefa mino,
misy fanomezana
ka halalino
ho famehezana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/afo | AFO | Fredy Jaofera | AFO
Afo nandoro ny lamba
izy iny ka ankahalaiko
sy tsy nihambahamba
ho tsy azo antenaiko.
Biby nanimba ny voly
ka aleo ihatakatahana
fa dia miompy devoly
sy tsy tia fivavahana.
Rano nandrava ny efa
ka tsy zakako intsony ;
misento ny ora rehefa
miverina 'reo lonilony.
Tany namela ny fery
ka itsoahako marin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/indrisy | INDRISY... | Nosy Malala | Indrisy,
Inay aho, raha afaka niteny,
Mba nitalaho tamin'ilay Reny,
Raha vao nanomboka nitsiry....
Ny hevitra hoe'zaho tsy iriny.
Eny e ! Sarotra ny mitsara,
Reny foana izy, Izaho no ratsy fiafara.
Tsy afaka niady, nanaiky ny safidy,
Tsy namela ahy ho isan'ny ankizy.
Fanirina mantsy ny mba ho ary nofo,
Indris... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/atataovy | Atataovy | Lee Andrianalaina | Atataovy
Atataovy aho ry havako
Fa mavesatra sy sarotra
Izato voatondro ho anjarako
Ny lalako koa toa matroka
Atataovy re raha sitrakao
Ity jiogam-pitiavako ry lala
Mba maniry toy ny silakao
Saingy tsy eken'ny fo adala
Atataovy ity ngidim-piainako
Fa tsy zakan'ity soroka intsony
Omeo namana aho itarainako
O... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anarana | ANARANA | Fredy Jaofera | ANARANA
Ny vaovao
mba satriko halaza
ho hasambarana :
tiako ianao,
na tsy fantatro aza
ny anarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/satria-mo-ny-foko-tena-ti | Satria mo ny foko tena ti | eric dgp | Satria mo ny foko tena tia
Tsy nahay niantsara ivelantsihy
Fa nivoady niaraka ho doria
Dia nanome izay rehetra taty
Tsy misy nozaraina
Fa nomena anao ilay mamy ny aina
Ka anefa toa tsy tsapanao
Izay fitia atolotro ho anao
Toa ninia anao tsy hita tsy nojerena akory
Ny foko tena tia izy anefa ory
Matsiaro manin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/faneva-nahofako | Faneva nahofako | Lee Andrianalaina | Faneva nahofako
Mikotroka ny andro...
Haizin-kitroka niainana
Tsy mitsahatra miandra
Nisompatra ny fiainana
Any ho any izay ny lasako
Feno sento sy tomany
Ny ho avy indray andrasako
Dia ny foko manotany
Indro mahamay ny tany
Nolalovan'ity tongotro..
Feno fitia tany ho any
Fa ny foko no tsy rototra
Fa fery ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/hafatra | HAFATRA | MAZ RAMANA | Na ho aiza ianao, na ho aiza...
Ho tsinjonao foana ny aloky ny tenanao
Na hazava na ho mainty ny lanitra eny ambony!
Na manta, na ho loa...
Efa nisy vokany ny voa nafafinao
Tamilay toeran-dasa, tsy hiverenanao intsony!
Na hiteny, na hangina...
Manangatra any ho any : ireo velona sy maty
Nanamboatra fomba fiaina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/iny-tsikiny-iny-tsiky-ira | Iny tsikiny iny
Tsiky ira | eric dgp | Iny tsikiny iny
Tsiky iray tsy azo ho fefena
Tsiky ira tsy noterena
Fa nozarainy izay ty
Nomeny iny iny
Na dia misy fiatsarambelatsihy
Fiatsarambelatsihy hoy aho satria.?
Iny no fanafenany ny marina
Eny na dia malahelo izy any anatiny any
Dia nasehony iny mba tsy ho fantatrao ny aminy
Mirana matetika sy sarik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fialofana | FIALOFANA | Fredy Jaofera | FIALOFANA
Fialofan'ny foko,
Andriamanitra
ka tena inoako
fa maranitra.
Fialofan'ny saiko
izay nianarana
ka antenaiko
handaharana.
Fialofan'ny tena,
fahamarinana :
toky sy harena
hanambinana.
Fialofan'ny tory,
'reo ora mitony
ka tsy mamory
aloka intsony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tararaka-anefa | TARARAKA ANEFA... | Fredy Jaofera | TARARAKA ANEFA...
Tararaka anefa
mitady ny soa ;
ny izao dia efa
manaloka moa.
Tararaka anefa
ny nofy ririnina,
tsy hisy hiantefa
fa tsy ambinina.
Tararaka anefa
be hambo loatra,
injao mirefarefa
fa tsy mivoatra.
Tararaka anefa
'reo asa tsy vita,
korana no alefa,
na dia tsy tafita. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ty-fitiavana-ty | 'TY FITIAVANA 'TY | Fredy Jaofera | 'TY FITIAVANA 'TY
'Ty fitiavana 'ty
rehefa hajaina,
mandoko ny dia
raha tantaraina.
'Ty fitiavana 'ty
rehefa koloina,
tsy mampahia
ka aza lotoina.
'Ty fitiavana 'ty
rehefa itokiana,
mahay mangia
tsy ho fijaliana.
'Ty fitiavana 'ty
rehefa iarahana,
tsy mba mania
raha ivavahana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/nifandimby-ny-andro-nifan | Nifandimby ny andro nifan | eric dgp | Nifandimby ny andro nifandimby koa ny taona
Ilay fitia tato anatiko lasa any aminao foana
Lasa tiko ianao.....
Saingy....tsy tsapanao ny fitia ao anatiko ao
Modian tsita modiana tsy jerena
Za anefa mipitsapitsa mahonena
Atao ahoana eeee????hionona aho fa mahalala tsy tiana
Ekeko hoe tena babo
Fa aleko mitia ana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fanomezana | FANOMEZANA | Nosy Malala | Fanomezana,
Mivezivezy, mitady fanomezana,
Atolotra, ho an'ity taolatehezana.
Miasa saina, very hevitra mihitsy,
Ny entimanana moa, tsy dia misy.
Ny zava-bitany sy ny sahaza azy aloha,
Na volamena aza tsy mendrika atao kadoa.
Inona ary no hovidiana sy ho karakaraina ?
Marina moa tsy tena maha lasa saina !
Hita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nandritra-ny-nitiavako | NANDRITRA NY NITIAVAKO | Fredy Jaofera | NANDRITRA NY NITIAVAKO
Nandritra ny nitiavako,
nahazo latsa aho ange,
nanamaloka ny tavako
teny amin'izay naleha.
Nandritra ny nitiavako,
nohamaivanina tokoa,
sasa-poana ny vavako
ka tsy hita ho namoa.
Nandritra ny nitiavako,
tsy nivatsy fihavanana
fa nanaraby ny havako
tsy hahalala fiadanana.
Nandritra ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/ninia-nanamafy-ny-fony-iz | Ninia nanamafy ny fony iz | eric dgp | Ninia nanamafy ny fony izy ka nanantena fa mbola hisava ity andro maloka ihainany
Eny na dia marary aminy aza ilay nilaozanao dia ihezaka izy ny amafa izany ary tsy itarainany
Ranomaso lava no any mameno ny fiainany nefa tsy kivy izy fa mbola manantena fa indray andro any anam pahataperany
Ka ho sitrana ny ratrany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/betsaka-ny-tsara-fa-ianao | Betsaka ny tsara fa ianao | eric dgp | Betsaka ny tsara fa ianao ihany no tiko
Maro ireo maha sarika fa ianao nosafidiko
Ny akanto sy toetra tsara ananao
No iny indray nampitombo lanja ny fitiavako
Malala ah...????tiko ianao irery no itantana ny tanako
Tiko ianao irery no isakambina ny vatako
Faniriko ianao no mba hiaraka amakivaky ny lalako
Eny fa n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/aza-adino-aky-ilay-voady | Aza adino aky ilay voady | eric dgp | Aza adino aky ilay voady
Hoe hiaraka itady
Dia isika roa ivady
Hiaraka iady
Hiaraka hifankatia
Hiaraka ho doria
Dia aza adino ko
Ilay teninao iray tsy manampaharoa
Hoe iaraka isedra
Na mafy aza ny mangeja
Dia isika ifady
Ny atao hoe ady
Izany mantsy ilay hoe vady
Dia aza adino ihany koa
Fa isika no natao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/mangata-pamelna-ry-tom | MANGATA-PAMELÀNA | AnjaraNivo | MANGATA-PAMELÀNA
Ry tomponay nahary ny nofonay rehetra!
Aoka ianao hitsetra ny amin'ny olana manjo.
Aoka hamindra fo fa efa fay ny zanakao.
Tena mitalaho sy mahatsapa tena ho diso,
Ka ny hoavinay rahampitso mba fenoy fahazavàna.
Ivalozana eto ny ditra sy adalàna,
Niniana nandikàna ny didy efa napetraka.
Mifona ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/i-bako-malala | I Bako malala | Ilay FANAMBY | I bako malala
O ry Bako malala, Bakon-dranomaso Fanaradia foana
Refa zaho tsy eo anoloana,
Bako malala,raha ovina vao ho ritra ty ranomaso lava Kontsana eny an'tava.
Sa hijanona eto,
Homana ty seto
Inona no tianao ry Bako
Hataoko ato ho ato,
Tsy midika tsy fitiavana na koa finiavana
Rehefa handao
Fa lay FITIA... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/menatra-aho | MENATRA AHO | Ravanondrazana | MENATRA AHO
Menatra aho rahavana...
Mahatsapa tena resy fa najanonao ho namana.
Marary saina mihitsy noho ireo hafatra misesy,
Namitaka ny foko tamin'ny fihetsikao: mihanta!
Ekena, fahadisoako ilay nivadi-pitokisana...
Fa efa te handingana ny atao hoe: finamanana.
Dia mba nanita-kevitra amin'ny tetika sy ketrika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga-aloha | TONGA ALOHA | Fredy Jaofera | TONGA ALOHA
Tonga aloha ny vava
fa tsy ny asa miandry
ka voateny lalandava,
na manenjan-tsandry.
Tonga aloha ny vava
fa tsy ny adidy maro
ka dia mandravarava
'reo tsiny mifangaro.
Tonga aloha ny vava
fa tsy ny andraikitra
ka izao vao mazava
raha mila hanaikitra.
Tonga aloha ny vava
fa tsy izay hamehana
k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/hiaradia | Hiaradia | Nosy Malala | Hiaradia,
Izaho sy ianao tapa-kevitra hiara dia,
Nivoady hifampitantana ho doria.
Hamakivaky iny lalana lavitra iny,
Hahita fiainambaovao, toy ny mpivahiny.
Ka na fifaliana na fahoriana,
Zakaina miaraka ny hazo fijaliana.
Satria mafy orina ny fitiavantsika,
Lavitra hakiviana sy lavitra ny ditra.
Ho olombanona ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manan-kasina-ny-maty | MANAN-KASINA NY MATY | Fredy Jaofera | MANAN-KASINA NY MATY
Manan-kasina ny maty
ka aoka tsy haratsina
sao ange ianao hitaty
loza maro tsy nirina.
Manan-kasina ny maty,
aoka tsy hamaivanina
fa tsy hevitra poak'aty
matoa ianao entanina.
Manan-kasina ny maty
ka mendrika hohajaina,
tsarovy foana na soraty
fa nampita ery ny aina.
Manan-kasina ny ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/lavidavitra-ihany | Lavidavitra ihany, | Nosy Malala | Lavidavitra ihany,
Ilay poeta vao mitsimoka,
Miafiafy, misitrisitrika,
Kaonty fako aloha izany,
Fa mbola hipoitra ihany.
Ny zavatra voasoratra,
Ny ao ampo no naboraka,
Mampihomehy na mampitomany,
Mbola hivoatra eny ihany.
Ilay faniriana hamoaka boky,
Toy ny ranon'ny Mangoky,
Misosa mankany mankany,
Fa misy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/satriko-foana-ny-ho-eo-an | Satriko foana... | Ilay FANAMBY | Satriko foana ny ho eo anilanao,
saingy iram-piti tiko hitoetra ary koa tsy hanapetra tsy mba handao,
satriko foana no hipetraka eto
saingy,mbola lavitra ny lalana ka tsy afaka mipetraka amin'ity adidy mavesatra
satriko foana ry malala
ary tiko foana raha hiara-dala
saingy fitia mandrakizay tiko haorina no iriko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iray-andro-any | IRAY ANDRO ANY | Fredy Jaofera | IRAY ANDRO ANY
Iray andro any,
hohirainao ihany
'reo hirahirantsika
rehefa ory tsisy bika.
Iray andro any,
mbola hanontany
'reo sora-napetraka
rehefa iny valaketraka.
Iray andro any,
handatsa-tomany
ao an-trano samirery
rehefa tsy zaka ny fery.
Iray andro any,
handefa vinany
hamelona ny taona
nahaliana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fidiranny-mpianatra-f | Fidiran'ny mpianatra, | Nosy Malala | Fidiran'ny mpianatra,
Firy firy moa izao,
Ireo raiamandreny mitalao.
Fa tsy manana atao,
Amin'izao fidirana izao.
Samy miezaka avokoa,
Mitady izay mba hahasoa,
Aleo sekoly tsy miankina,
Saingy tena mahatankina.
Maso mikipy angamba,
Raha tsy mahita ny zava mitranga,
Satria tsy tokontrano iray,
No mitaraina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nizaka | NIZAKA | Fredy Jaofera | NIZAKA
Nizaka hatsiaka
teny rehetra teny
vao nahazo bika
ny toky lavareny.
Nizaka havandra
namely izaitsizy,
nivandravandra
fa olona tsy izy.
Nizaka hafaitra
sarotra aboraka
mbola tsy laitra
ka tsy mihoraka.
Nizaka habobo
tsy nampoizina
vao niroborobo
izay nofoizina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/hafatra | HAFATRA | Ravanondrazana | HAFATRA
Ny teniko tsotra, no sady mazava:
Aza manaiky ny ho tapenam-bava!
Saingy tsy tokon-tsavony filaza fa,
Miteny mahitsy rehefa mananatra.
Ka atao sôbakaka mijery fitaratra:
Tonga dia vavany no arangaranga,
Na inona na inona zava-mitranga
Sy ny zava-miafin'ny rakitry ny ela.
Aleo mba havadika im-pito ny le... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aza-atao-fantany/aza-atao-fantany....-ra | Aza atao Fantany....
Ra | Aza atao fantany | Raha mankany ianao
Ireto no mba hafatro
Raha itanao izy mba lazao
Efa sitrano hoe ireo ratrako
Nadinoko hoe ny anarany
Naleviko koa ny fitia
Eny na tsy asiny sarany
Lazao fa efa tsy manahy
Efa sitranao hoe ity foko
Fa afeno azy izao masoko manganohano eto ampitanisaina ireto hafatro
Aza lazaina azy hoe mbola ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/isaorako-ianao | Isaorako ianao | Lee Andrianalaina | Isaorako Anao
Isaorako Anao na sarotra
Ny lalana nodiaviko ry Tompo
Fa hiezaka aho tsy hatahotra
Na arivo lahy ijoro anoloako
Fa na mafy aza ny fitsapana
Na ho feno tsilo ny lalan-kizorako
Fa zakaiko foana raha izany no hatsarana
Hiezaka aho hampitombo finoako
Na sedrainao hatrany ny fiainako
Fa ianao no anto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/very-andro | VERY ANDRO | Fredy Jaofera | VERY ANDRO
Very andro nanaratsy
fa marary ery ny lasa
ka tsy nitady hamatsy
ny soa sy izay kinasa.
Very andro nanakiky
ny zara izay nitranga
ka nandrava ny tsiky
ho lanitra tsy manga.
Very andro nanamafy
ny gidragidra hatrany
ka tsy mba nampitafy
ny tena toky sesilany.
Very andro nanakely
ny tena izay kam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/noravako | Noravako | Lee Andrianalaina | Noravako
Ireo sakana sampanana
Manakana ny lalako
Tsy handray anao an-tanana
Ry tiako sy malalako
Noravako ny fahasambarako
Mba hanasambarako anao
Novonoiko koa ny tantarako
Hampitsiky lava ilay fonao
Fa ny foko tsy leo mitempo
Mitanisa fitiavany anao
Noravako koa hatreto.....
Ilay eritreritro mitetika hand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/iny-zanako-iny | Iny zanako iny | Lee Andrianalaina | Iny zanako iny
Iny zanako iny
Tiako tsy foiko
Maditra tsisy tsiny
Adala tsy lotoiko
Sarobidy amiko
Lafo vidy tokoa
Ninana ny haniko
Omeko izay soa
Iny zanako iny re
Ry Andriamanitra
Mba tantana re
Omeo saina maranitra
Noho izy ilofosako
Mafy amin'izao
Fiainana efa sarotra
Aoka izy hitoky aminao
Raha se... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/mamanay-20-taona-lasa-no | MAMANAY | ketaka kely | MAMANAY
20 taona lasa
No nandaozanao anay
Tsy isika no mikasa
Ka dia mionona izahay
20 taona tena banga
Mahatsiaro ho irery
Izay jerena vangavanga
Ny fo injao toa misy fery
20 taona hafa be
Hatramin ny nandehananao
Ireo zafikely marobe
Tsy mba nahita sy hitanao
20 taona aho mahatsiaro
Na hafaliana na toma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/meteza | METEZA | Ravanondrazana | METEZA
Meteza ianao, sakaiza...
Ho mpananatra ny tiana.
Hampianatra sy hitaiza
Ho manam-pahasahiana,
Na oviana, n'aiza n'aiza...
Sahy misedra fahoriana.
Mba ho modely tsaran'ny taranaka any aoriana.
Meteza ianao ho andry!
Mijoro ho fianteherana:
Matanjaka ara-tsandry,
Maharanitra fiheverana.
Tsy hionona, ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/takariva-any-antanna | TAKARIVA ANY ANTANÀNA | Ilay FANAMBY | Takariva lahy ny andro ka tadidiko ty korana rehefa mody omby ny any ambala.
Indreny ty kitabo,horakoraka tsy malazo fa mifamory andohavala ka tsy mangina koa ny tanana
Takariva lahy ny andro ka te hody atena mahatsiaro ty japela mikakakaka eo apanaovana sabaka
Takariva lahy ny andro,te hody aminay hamerina iny fah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/mazna-ny-olon-kendry | MAZÀNA NY OLON-KENDRY | AnjaraNivo | MAZÀNA NY OLON-KENDRY
Mazàna ny olon-kendry raha nipoiran'ny hadisoana:
Avy hatrany dia mifona.
Avy hatrany dia mibaboka, hanova ny famindrany;
Ka na dia fahendrena kely monja aza voadingany,
Dia afobe iny aminy.
Mazàna ny olon-kendry tsy mba manambàny ny hafa,
Tsy manan-tsaina hikasa
Na manan-tsaina hikatsak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iraky-ny-fit/zengy-lalahy | ZENGY LALAHY | IRAKY NY FIT... | ZENGY LALAHY
Ny zo karaha mitovy , hoe mitovy tsisy havahagna
Ny hoe fanaka malemy , efa ela hony nahiagna
Nefa nohy hafahafa , karaha tsy hikem-pagnahy
Tsy ikehin'ny fiaramonigny koa zahay hanjengy lalahy
Koa resa-belontegna avaizo samby magnano
Samby afaka ho lohany koa agnaty tonkantragno
Samby afaka mamelog... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tsika-roa | TSIKA roa | lain's rakoto | Raha tiako tsy ho tianao
Ny tianao mety tsy ho tiako
Ny hainao tsy haiko
Tiako ianao dia hajaiko
Mifameno no ilaiko
Mifanampy mifandrindra
Tsy avelantsika handringa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aloka-tarabolana/iny-tarabolana-iny-no-hia | Iny Tarabolana iny no hia | Ny Aloka Tarabolana | Iny Tarabolana iny no hiarahabako anao ,
Anaty tsinam-bolana sy volam-penomanana,
Iny ihany koa no hanao veloma anao...
Hitsiky anao hatrany hikopakopa-tanana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanomezantsoa-lcv/ry-malalako-izato-foko-a | Ry malalako
Izato foko a | Fanomezantsoa Lcv | Ry malalako
Izato foko adala no miventso ka miteny
Tsy vizaka mintsy milaza ombieny ombieny
Fa tsy misy toa anao ra mbola eto an-tany
Tsy misy toa anao, mbola averiko ihany
Maro ny adalana, sy ny ditra izay natao
Nampirotsa-dranomaso, nampisentosento anao
Hifonako avokoa, hivalozako malala a
Fa izato foko anie ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tiako | TSY TIAKO | Fredy Jaofera | TSY TIAKO
Tsy tiako ny tsy hahita
azy iny rehefa manina
fa tonga tsy mahavita
'reo asa izay sahanina.
Tsy tiako ny tsy hahazo
vaovao andrasan-dava
rehefa ory tsy mivazo
'ty fotoana tsy misava.
Tsy tiako ny tsy handre
ny momba azy rehetra
rehefa tsy afa-manome
fitoniana izay mitoetra.
Tsy tiako ny tsy hitad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lafatra/dada | Dada | Lafatra | Na dada nandositra
nigafy tsotr'izao ny fifalian'ny neny.
na dada variana eny rehetrarehetra eny
fa tsy mahalala akory ny zanany anaty ady
Na dada manambady
..sy efa mananjanaka any
Dia tiako foana ihany!
Tsianjery efa laniko
ary tsisy miafina amiko zay dianao fahiny..
Voatantaran'ny neny ny mba faniriany
t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-mozika | NY MOZIKA | Fredy Jaofera | NY MOZIKA
Raha be ny ranomaso
fa tratran'ny an-kaso,
mihainoa re mozika
hamalifaly antsika.
Raha manana alahelo
toa ivezivezen'avelo,
alefaso izay mozika
kanto mahasariaka.
Raha malomalo-dava
tsy antenaina hisava,
ao ihany ny mozika
ho ora manjopiaka.
Raha mifoha ny ratra
ka mila hivatravatra,
ao foana n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iraky-ny-fit/jiolahim-body | JIOLAHIM-BODY | IRAKY NY FIT... | Raha tsy misaigny sa ningoangan- draha fagnahy
Fa voahozogno hagnolagna, miseho mahalahy
Raha azo moafon ino no sakanagna tsy tagna
Ke zaza tsy ampy taogno no ampiharanao filagna
Anao mbo nantigneny , olo be hiantiheragna
Nefa zaza tsy ampy taogno tsisy avelanao mihelagna
Ilainao ,iolagnagna, ampiharam-pilan-drat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanomezantsoa-lcv/hanody-anao | Hanody anao | Fanomezantsoa Lcv | Hanody anao manenjika ahy
Izato foko tena hory
Izay tsy ahitako tory
Hanody anao manome-tsiny
Izato foko izay mijaly
Tena tsapako marary
Eny, hanody anao hatrany hatrany
Izato foko mitomany
Mbola hivaly indray androany
Hany volana, hany taona
Mbola ho avy ny fotoana
Hatsapanao ny adin-tsaiko
Ny fahoriana iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/fo-mihira | Fo mihira | Dox | Ny feon-kira tsara indrindra ?
Te-hihaino azy ianao ?
Henoy izy fa hirindra,
Ao anatin'ny fonao...
Ao anatin'ny fonao,
Tia ka mamelovelo...
Ao anatin'ny fonao,
Mahatsiahy ka malahelo...
Ao anatin'ny fonao,
Manina ny taninao,
Nilaozanao an-dakira...
Fa ao anatin'ny fonao,
N'inonino-sentosento,
Moa va tsy mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nandalo | NANDALO | Fredy Jaofera | NANDALO
Nandalo fahoriana
vao nisy hafaliana
ny fiainako anio
ka mba tadidio !
Nandalo ady mafy
vao nanam-pitafy
ny tenako etoana
ka be fisentoana.
Nandalo herisetra
vao nanam-petra
ny tebiteby maro
nivoy ka fantaro.
Nandalo fihafiana
vao nisy fitahiana
nipoipoitra teny
sy eto lavareny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena-evariste/eny-anabakabaka-eny | Eny anabakabaka eny | Ilay FANAMBY | Eny anabakabaka eny
No sisa fanantenako
Eny mako no mba fialokalofako nefa rakofan-draho maity Mitatao zay monina mandavatao,
Eny no mba sisa fitaratra,nefa rahona Tsy mijanona fa ali-maitim-pahavaratra,
Eny anabakabaka eny no anidinana lay elatra
Nefa oram-batravatra godo ama-kelatra
Eny no mba irina hahasambat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/finday | FINDAY | Nosy Malala | Finday,
Manjombona sy be ahiahy,
Ny foko raha tsy eo anilan'ingahy.
Ao raisiko kely dia safosafoiko,
Jerijeriko sy kolokoloiko.
Ireo mpitazana mitsiriritra,
Sady fisaka Ialahy no tsara bika.
Hazoniko ny ahy fa tsy zarazaraiko.
Meva sy Kanto mantsy zato findaiko.
Vimbiniko hatrany na andro na alina,
Vao tsy h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniry-rabehanitriniony/ry-taniko | Ry taniko | Faniry RABEHANITRINIONY | Ankehitriny aho dia manoratra hoanao,
Tsy fantatro ts’inona ny ora andaozako anao.
Ka raha toa vinakinao ity taratasiko ity,
Tsarovy f’izaho mety efa tsy ety.
Raha nandinika ao manko toa hitako izao
Ny fandrosoana nomen-draolombelona anao,
Asa na mankany amin’ny tsara na makany amin’ny ratsy!
Fa aleo aloha andeh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/rahoviana | Rahoviana | Lee Andrianalaina | Rahoviana....
Ireo zatovolahy sy vavy mitovy taona amiko....
Mifampitantana eny en-dalana tsiroaroa
Mifampijery sy mifamihina
Mifankatia tsy mifankafoy....
Tsy manahy ny ampitsony...
Fa fitia no ianteherany.....
Fa ny fiainany efa tony.....
Raha sendra diso fiheverany...
Indreo misy namana ianteherany
Liana a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tratra-aoriana | TRATRA AORIANA | Fredy Jaofera | TRATRA AORIANA
Tratra aoriana
'tony fitiavany
tsy mahaliana
fa efa ravany !
Tratra aoriana
ny tolo-tanany
mba ela nirina
fa tsy zanany.
Tratra aoriana
ny famonjeny
izay notakina
fa nohoseny.
Tratra aoriana
ny vahaolany
mahavariana
fa dia olany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/raha-tena-tia | RAHA TENA TIA | Ravanondrazana | RAHA TENA TIA
Mitia ianao satria: te hiaina paradisa?
Dia aza mitanisa ny lasany iny akory.
Aza mitotaly ny mety ho fahadisoany,
Rehefa mifamaly fa tojo ny ady kely...
Mahaiza manadino an'ireny vita ireny.
Rehefa hitia ianao: ny ao aloha jerena!
F'aza manantena hikendry tombotsoa;
Aza tia mametraka fepetra ihan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy/tranobongo | Tranobongo | RAMY | Tranobongo
Ity tranobongo ity ?
Na kely sady kotona aza no nandrafetana azy,
Dia telina sy fy
Ny androm-pianana ao fa tsy mba vazivazy.
Ny ravaka ao anatiny !
Tsy temitra voasoratra miloko tsara rindra.
Nefa tsy mba vatrany
Ny tosi-bohontanana hanery anao hifindra.
Ny alim-piainana ao ?
Toa lavitry ny saina i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/noho-ianao | Noho ianao.... | Ilay FANAMBY | Noho ianao....
Noho ianao iny ihany ry malalako
Noho ianao iny satria,
Enao lay fananako
Mandrakizay doria
Noho ianao iny ihany ry tiko
No antony izao
Noho ianao izany
satri lay tokako eto an-tany
De noho ianao ihany
No handehanako any ho any
Noho ianao satri
HO mandrakizay lay fiti
veloma ry malala,
velo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/fatatrao-ve-ry-foko-iny | Mba efa fatatrao ve,...? | Ilay FANAMBY | Fatatrao ve ry foko,
iny olona irinao
Voadinikao ve ry vetsoko,
iny olana inkaloanao,
Moa fatatrao ve,
lay fiti natolony
Mba efa voadinikao ve
Lay teny teo imolony
Hitanao tsara ve ry masoko,
lay tsikiny teny ho eny
Moa efa voadinikao,enao nataony tsara jery,
Henonao ve ry sofiko,
iny valin-teny iny
Moa mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mbola-tiana | MBOLA TIANA | Ravanondrazana | MBOLA TIANA
Eto am-panoratana aho no mialatsiny indrindra.
Fa toa nihankanankana, sadaikatra famindra...
Raha sendra anao sy izy, tamin'indray ariva iny.
Toy ny horonan-tsary mampatsiahy ireo fahiny,
No hitako sy niainako... Fa saingy fotsiny hoe:
Ny toerako no lasany. Fotoana vitsy monja dia
Nasolonao ho anaran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-haratsiana | REHEFA HARATSIANA... | Fredy Jaofera | REHEFA HARATSIANA...
Rehefa haratsiana
no feno ao am-po,
tsy mba faniriana
ny hitia re no to !
Rehefa haratsiana
no asa eto an-tany,
tsy miaro fifaliana
izay toky sesilany.
Rehefa haratsiana
no aely hahatafita,
tsy tonga fitahiana
ny ratsy maro vita.
Rehefa haratsiana
no marina sy mety,
zakao fa fahorian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby-sy-manantena-evariste/tsia | TSIA | Ilay FANAMBY | "TSIA"
Ny teny hoe "tsia" dia fandavana avy hatrany
TSIA hoy ianao tamin'izany na mbola tsy ary akory aza lay teny,
dia tsia no navalinao ombeniombeny
Ny teny hoe TSIA dia nandoro ny atim-panahiko
TSIA hoy ianao namaly
lay vetsom-paniriana tany ho any,ka nangeza ity ankany.
TSIA hoy ianao teny ho eny,no vali-kaf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/ito-tsikiko-ito | ITO TSIKIKO ITO | MAZ RAMANA | Ito tsikiko ito, tsy sanatria akory : fandatsako anao.
Fantatro, fa fo sy...saina tena tia no milaza izany anio.
Fa raha zato taona no atokanao ho ahy, ka hoe tsy hiova ianao?
Mety ho zakanao, na tsia...aza malaky miozona, f'izao no tadidio!
Efa fantatrao tsara fa tsy maty ankazo tokana ny tena lehilahy
Mety raham... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/hazo-noely | HAZO NOELY | Nosy Malala | Hazo Noely,
Vao iray volana izay,
No niarapaly izahay.
Fa nandravaka anao indray,
Nohaingoina toy ny ho mandrak'izay.
Faly ery ny ankizy na ny lehibe,
Milaza fa nandritra ny taona, hendry be,
Sao tsy mahazo kilalao amin'ny Noely dadabe,
Miandry ampitsikiana sy manantena be.
Na ireo sahirana aza,
Manantena mia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/tsy-vitsy | Tsy vitsy | Lee Andrianalaina | Tsy vitsy.....
Iny vorona manidina
Tsy misy mpiompy
Fa velona isan'andro
Toy ny rano miantopy
Ity fiainana no sarotra
Aza kivy fa ifikiro....
Na mandalo andro matroka
Tsy maintsy atrehina
Ny adidy mankadiry.....
Tsy vitsy raha tazanina
Ireny vorona mivelona
Nefa tsy miasa akory...
Fa velon'aina minan-kanin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/herezo | HEREZO | Ravanondrazana | HEREZO
Herezonao ny diako, ry Andriananahary!
Fa ketraka, marary, inty vatana maliako.
Ny làlana hitodiako mideza sady lavitra.
Mila tsy ho haritra ireo sedra miharihary,
Mijoro manoloana ny zotra ho lalovako.
F'Ianao no fiarovako miaraka eny foana.
Na inona fotoana, na aiza koa toerana...
Herinao tsy ferana no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/nitsimoka-nitsimoka-mora | NITSIMOKA | AnjaraNivo | NITSIMOKA
Nitsimoka mora ny taho-manify
Sy fanja tsy tody amin'ny tanjony ho voa
Fa ny eri-nanondraka: indreny nidify
Ny ho avin'ny voary mba ho inona moa?
Tsy ho inona akory f'ho mora halazo
Ho maina tanteraka aoriana kely
Tsy ho ela famokatra fa voninkazo
Miendrika zaza tsy manana reny.
Izany ny sarin'ny fah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/tomany- | TOMANY ? ? ? | MAZ RAMANA | Vao lasa mantsy ianao dia, nahonony mafy ny fony
Fantany hono mantsy fa tsy hiverina intsony
Voadona mafy ihany izy tamin'iny andro iny
Fa naleony koa nanaja ny safidin'olontiany.
Izay velomanao farany, niriany, nantenainy!
Dia ilay tsy naloakanao fa nataony tany antsaina!
Naleony tsy niteny fa mandratra tena iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/hasambarako | Hasambarako | Lee Andrianalaina | Hasambarako...
Hasambarako ny ratrako
Izay manenika ny foko
Raha hahasambatra malalako
Hampanjavona toloko
Hasambarako ny feriko
Raha izay koa ry tiako
Handaniako ny heriko
Ho anao ny fiafiako
Hasambarako ny hirifiriko
Raha izay no maminao
Ho sambatra tsy hifikiriko
Ataoko ho tsiaro ireto sarinao
Hasambara... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.