url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ny-soratra | Ny soratra | Ilay FANAMBY | Eny ho eny,soratra tsy mijanona,manoratra izy mba ho valintanana
Hanoratra ihany aho,hanoratra mba ho andry iankinana,
Hanoratra ihany aho,hanoratra mba hanala fahanginana.
Hanoratra ihany aho,hanoratra mba ho teny
Hanoratra ihany aho,hanoratra hanidina eny ho eny,
hanoratra tokoa ve ianao?
Eny,hanoratra aho fa v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ny-anjara | Ny anjara | Ilay FANAMBY | ANKEHITRINY,
Ny anjara dia safidy
tondro iray tsy voadidy
Anjara samirery
amin'kalalahana tsy misy tery
Ny anjara dia tsy tantara
tsy misy iandohana,fiafarana
Fa tondro iray amin-katsarana
bika aman'endrika ao tsara
Ny anjara dia tsy lahatra
fa safidy amam-boninahitra
Tsy tendry any ambony
fa zay sitraky ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vao-maty-ny-raiko | VAO MATY NY RAIKO | Fredy Jaofera | VAO MATY NY RAIKO
Vao maty ny raiko
dia niseho ny devoliny
ka olon-tsy ilaiko,
na be ny masomboliny.
Vao maty ny raiko
dia niseho ny vangany
raha toa tanisaiko,
na ireto maso rangany.
Vao maty ny raiko
dia niseho ny toetrany
ka tsy nantenaiko
fa tao ny hetraketrany.
Vao maty ny raiko
dia niseho ny hafalia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/triatra | TRIATRA | Ravanondrazana | TRIATRA
Tsotra ny ahy ny teniko:
Izay vita rehetra neniko.
K'aleo mihitsy hisaraka,
Hanitsina ny manaraka
Sy fiaina-mbola ho avy.
Misaotra anao vehivavy,
Nampihetry voninahitra
Ny tolotr'Andriamanitra.
Ny ambom-pon-dehilahy
Any ambany rangolahy:
No satrinao hiadanana?
Hafa indray hiarahana
F'izaho ilay ton... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/eny-ry-tanakohanoratra-i | Ny soratra | Ilay FANAMBY | Eny ry tanako,hanoratra ihany ve ianao,na de maro aza ny efa mikasa,
-hanoratra ihany ve ianao,na de betsaka aza ny efa voalaza?
-hanoratra ihany ve,dia inono no hambara.HANORATRA AHO satria mbola m
ana-kafara,
Ny ainga ao anaty, mametsonventso ny hikalo,
Mibaiko ny tanako handray zato penina na de koa hoe handalo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-fanamby/ny-fitiavako-anao | Embona | Ilay FANAMBY | Iny fitiavako anao iny,hafaliana sesilany
fitiavana manimoka iny no nameno ny tany,
iny tambitambiko iny,
tontolo hafakely
tsapanao ankehitriny
rehefa iny ianao irery
iny vetsovetso-tsika iny
tantara tsy navela
mba ho tsiaron'fahiny
embona haharitra ela
iny fitatanako anao iny
tantara tsy voarakitra
fa toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/iny-toerana-iny | Iny toerana iny | Lee Andrianalaina | Iny toerana iny....
Toera-mamy tokoa..
Ka tiako tantaraina
Fa indrisy ka nilaozana
Fotoana manam-petra
Niambohona ka tsy tazana
Ireo tsara vita rehetra
Tsy anjara fa voatendry
Tsy ho ahy fa kisendrasendra
Ilay foko nody hendry
Nefa rakotrin'ny avandra
Iny toerana iray iny
Andalovako eny foana
Nahitako iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/enimpolo-taona | ENIMPOLO TAONA | Fredy Jaofera | ENIMPOLO TAONA
Enimpolo taona
ny fahaleovantena
fa mbola mivaona
ny tany ka sorena.
Enimpolo taona
ny fahaleovantena
fa mbola ny noana
no feno mahonena.
Enimpolo taona
ny fahaleovantena
fa dia mahamoana
ny jaly tsy mihena.
Enimpolo taona
ny fahaleovantena
fa mahantra foana
ny olom-pirenena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ray-o-alamino | RAY O ! ALAMINO | Fredy Jaofera | RAY O ! ALAMINO
Ray o ! Alamino
ny fiainako anio,
eny, ampangino
tsy hahare tadio.
Ray o ! Alamino
ny andro rehetra,
mbola hamasino
tsy hahita tsetra.
Ray o ! Alamino
'reo efa disadisa
toa tsy nampino
sy tsy voatanisa.
Ray o ! Alamino
ny saiko 'zay ory ;
ovay ary ambino
fa dia manorisory.
Amen !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/matoa-navela-hisy | MATOA NAVELA HISY | AnjaraNivo | MATOA NAVELA HISY
Matoa navela hisy izany fijalian'ny fo
Dia dingana hanitarana ny hery sy ny tanjany,
Entina hamantarana sy hitsapàna koa
Hoe "ngeza mankadiry ve ny halalin'ny fitiavany."
Matoa navela hisy fo mpamitaka olon-tiana
Dia sedra fanofanana ny fo mitia be loatra
Hahaizany hizaka sy hizioga fijaliana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mety-daholo | METY DAHOLO | Fredy Jaofera | METY DAHOLO
Mety daholo izay atao
rehefa fifampitokisana
no iainana tsisy raorao
an'ilay fitia anofisana...
Mety daholo izay atao
rehefa fifampitondrana
misy rindra fotsiny izao
no lamina mahatamana.
Mety daholo izay atao
rehefa fifankahazoana
no misy fa tsy mandao
sy manome haravoana.
Mety daholo izay ata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tsiriritra | TSIRIRITRA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TSIRIRITRA!
bikanao no manintona maso
hatsaràna manaitra ny fo
mendrika anao eh! ny kanto
Ny fo tia no maniry ny ho roa
hasambaran'ilay mpianjoria
no miherika anao jery todika
miherika mantsy satria
taitra ny fo dia nidoboka
tafintohina ny tongo-mamindra
ka hiomehezan'izatsy mpandalo
tondro-molotry ny mpamin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/fahantrana | FAHANTRANA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | FAHANTRANA!
lakalaka ny fiainana an-tany
kisendrasendra toa saro-pantarina
mitsimbadika ambony sy ambany
ka tsy fantatra izay tena marina
kizokizo e, ny lalan-kizorana
tsy fantatra izay hiafarany
raho-mainty hivadika'ho orana
no hany sakaizan'ny tany
dia miandry ny anjara sy vintana
manantena ilay andro mazav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/zipo-fohy-kely | ZIPO FOHY KELY | Nosy Malala | Zipo fohy kely,
No anaovan'ny mademoisely,
Mankany antsekoly,
Toy ny hiala voly.
Dia bedindramose,
"Aty anie tsy fampiderana fe".
Zipo fohy kely,
No anaovan'ny ramatoa kely,
Mankany ampiangonana,
Moa tsy mitonantonana.
Jereo anie ireto maso ny mpiangona,
Nefa tsy izany mihitsy no tanjona....
Zipo fohy kely,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fakampanahy | FAKAMPANAHY | Nosy Malala | Fakampanahy,
Raha eto antany ihany,
Ny Fakampanahy tsy ho lany.
Ny tompon-tsafidy dia isika ihany,
Mba tsy ho latsaka amin'izany.
Misy karazany maro izy ireny,
Manintona mafy sy maha te hijery.
Ny vokany anefa mety tsy ho tanty,
Mety ho lasa mpandainga mandramaty.
Fangalarana, fisandohana, fampirafesana...
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-avela-ny-lasa | AZA AVELA NY LASA | Fredy Jaofera | AZA AVELA NY LASA
Aza avela ny lasa
hipody eto indray
fa ny zava-kinasa,
ho hita amin'izay.
Aza avela ny lasa
hanelingelina ery
fa ho tonga hiasa
ny saotra sy dihy.
Aza avela ny lasa
hamoaka tomany
fa izay hisasasasa,
feo kanto hatrany.
Aza avela ny lasa
hampisento anao
ka dia miandrasa
fa hiova ao ho a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hadinonao-ny-anarako | HADINONAO NY ANARAKO | Fredy Jaofera | HADINONAO NY ANARAKO
Hadinonao ny anarako
hatramin'izay niaretako
ka tsy hany amaharako
fa tsy mba hetahetako.
Hadinonao ny anarako
nony indro fa tra-boina
ka nandoto ny tsarako,
na dia zava-nokoloina.
Hadinonao ny anarako
nony indro fa kamboty,
nanaratsy ny tantarako
ka izao re diso angoty.
Hadinonao ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/tsia | Tsia | Lee Andrianalaina | Tsia
Angamba tsy sambatra
Raha mbola ity tany
No entina misantatra
Ny sento sy tomany
Tompo ô, ho hafaliana
Ho ahy indray andro
Omenao izay faniriana
Hizorako ny lalako
Tsy olona hahasambatra
No tadiaviko Andriamanitra
Fa olona iray hotiaviko
Mandrapahatapitr'ity fotoana
Na fijaliana sy fahoriana
Ampitond... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tsy-irery | Tsy irery | Nosy Malala | Tsy irery,
Tsy irery izay manana ny Ray,
Fitia tsy mamitaka sy ho mandrakizay.
Manitsy raha sendra solafaka na diso,
Mahatoky sy miahy izay ho avin'ny ampitso.
Izy ihany koa ilay mamihina sy misalahy,
Raha ontsa ny fo, ny vatana sy fanahy.
Mampitràka , mankahery hatrany...
Hafa ihany izany hoe zanany izany.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/voasedra | Voasedra | Lee Andrianalaina | Voasedra
Nosedrain'ny fiainana
Ity fitiavako ka ory
Very hika fitarainana
Very sento miari-tory
Sento lalina
No sisa mba manenika
Ka satriko dia satriko
Any antany aho hilentika
Fa voasedra vo voasetra
Ity fiainako ry lala...
Ora maro fisentoana
Andro maloka ihany
Tsy mba misy fitrakana
Fa sento sy tomany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/mahaleotena-ara-pietanampo | Mahaleotena ara-pietanampo | Nosy Malala | Sarotra ny mahaleo tena ara-pientanampo,
Marim-pitiavana ny miahy, manao salama koa.
Ka mahatsiaro tsy tiana raha tsy voavangivangy,
"Tsy hangataka amiko mantsy iny, hanaovako azy".
Marary ny fo satria hoe mierimpitia,
Aiza angaha ny havana sy namana tety ?
Tsy nandoka ilay sary navoakako ity,
"Tsisy ilaina az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-famoronana | NY FAMORONANA | Fredy Jaofera | NY FAMORONANA
Ny famoronana,
nampisy ny tany
ka aza saronana
fa ilaina hatrany.
Ny famoronana,
oram-pivoarana
lavi-piononana
ka nisantarana.
Ny famoronana,
lalam-panovana
tsy notakonana
fa jiro igagana.
Ny famoronana,
ainga hafa kely
tsy novozonana
vao tsapa niely. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/tsy-misy-loha-teny | Tsy misy lohan-teny | cedric tolojanahary | Hiezaka hionona ny foko tia anao.
Hitia anao mangina,tsy mba hiloa-bava.
Hikobona azy am-poko,fotsiny amin'izao.
Na dia tena tia,sy tena babo aza.
Hanoratra tantara,tsy misy lohan-teny.
Hitantara anatiko,ny momba ahy sy ianao.
Mantsy izato foko,efa zatra ny ho irery.
Ka aleoko akia mamoy...fotsiny amin'izao.
Ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/tsapako | TSAPAKO | Ravanondrazana | TSAPAKO
Fotoana vitsy monja...
Dia tapitra voavakiko
Ireo asa soratrao:
Milaza ny ao anatiko!
Tsapako f'ianao, no
Poetan'ny taon-jato...
Manoratra tsy miato,
Ao anaty sora-kanto
Mirindra dia mirindra.
Sahy milaza indrindra
Ny zava-misy marina,
Miafina ao ambadiky
Ny sarotra takarina...
Takatrao daholo ny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vola | VOLA | Fredy Jaofera | VOLA
Vao manarangarana,
mahanjola
mahita azy an'alin-kisa ;
mamoha varavarana
ny vola,
na ny an'ny paradisa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/neny-andeha-hifidy | Neny andeha hifidy | Nosy Malala | Neny:
Ilaozako aloha ianareo rankizy,
Andeha kely aho hamita adidy.
Zo lehibe ny fahafana mifidy,
Izay lany eo no ho lehibe mandidy.
Zanaka :
Hendry tsara izahay fa aza manahy,
Iza no hofidin'ny neninay angaha?
Lazao fa zahay anie ka te ahafantatra,
Sa ve marina f'efa voasoratra ny lahatra ?
Neny :
Azafady r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tsiky | NY TSIKY | Fredy Jaofera | NY TSIKY
Ny tsiky no sary
tsara indrindra
mahavariana
mampiharihary
fiaina mirindra
azo itokiana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniriantsoa-razakamalala/anatri-dada | ANATR'I DADA | Faniriantsoa RAZAKAMALALA | (M: Miora; D: Dada; N: Neny)
M: Dada a!ndeha hivoaka kely aho mba hanala sorisory
Dia mba omeo vola fa tena boribory
Tsy misakafo aty fa aza isana akory
Dia tsy mody amin'ny alina fa any no matory
D: 'Dray ry Miora, zany mba toe-tsainao
Tsarovy fa mandalo anie izao fiainana izao
Amin'izay ny fitafiana, tsy mety ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fenitra-voarantony | FENITRA VOARANTONY... | RRAG | FENITRA VOARANTONY...
Tinefy maikamaika ka ravan'ny harafesina
ny fitiavana natolony, 'lay lazainy ho tian'ny fony!
Rehefa babo teny dia, navelany niesona,
fa izy niova lapa, indrisy! Tsy nitoetra tany intsony!
Sisasisam-paika, no indro mba navelany!
Fa lasany nandao, ny sompitra sy maminy!
Ratram-po tsy laitra,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-ani-moramanga | HO AN’I MORAMANGA… | RRAG | HO AN’I MORAMANGA…
Tohofan’alahelo ny foko ry akaniko,
mitinazan-davitra ny bikanao ivelany!
Aiza ho aiza teny ry ‘lay tanàna mamiko,
no dia izao sisa no endrika navelany?
Ny tsangam-batonao, fitahirizan-tsiaro,
efa niovaova jery ka hila tsy ho fantatra!
Irony kolontsaina, maro nifangaro,
iza intsony moa, ny ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/mpivady-miady | Mpivady miady | Nosy Malala | Mpivady miady,
Adin'ny mpivady ve moa hidirana,
Rehefa avy miady izy dia mifamihana.
Fa raha matetim-piavy toa sotrokely,
Dia tsy hisy fahasambarana velively.
Na lehilahy io na vehivavy,
Tokony mifanaja rehefa mpivady.
Fa tsy hoe akory rehefa vita mariazy,
Dia azo atao amin'izay anaovana azy.
Vady koa ve moa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/hiezaka-hanadino-anao-aho | Hiezaka hanadino anao aho | Hajanirina Mahavaly | Hiezaka hanadino anao aho ry tiako
Satria tsy ho tanteraka ny faniriako
Hiara-dàlana aminao, hiombona fitia
Ny fikasako ho mandram-pialantsika ety
Hiezaka hanadino anao aho ry tiako
Satria hinianao tsy fantatra ny fisiako
Izaho ilay nitia mangina anao hatrizay
Maniry hitantana anao mandrakizay
Hiezaka hanadino ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/andran-tsira | ANDRAN-TSIRA... | RRAG | ANDRAN-TSIRA...
Noheveriny ho fatratra ny tsiron'ny sigara,
kinanjo sempon-tsetroka ny atin'ny avokavony!
Ny taoka sy ny revy notsapainy sao mba tsara,
saingy tsisy kanto, ireny raha ny heviny!
Dia lasa indray nandramany ny loka sy ny etsetrany,
ny ady akoho, soavaly, ny karatra sy sisa!
Teny lany andro, fotoana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mody-hoe | MODY HOE… | RRAG | MODY HOE…
Mianoka a(min’ny)-nofy ny fanantenana,
mifaly miravo amin’ny ora mamiratra!
Saingy tojo olana saro-bahana,
ka ‘zato andro avy no tsapa mihisatra!
Mavesatra mafy ny tsela-piainana!
Minitra tsy ampoizina dia rakotra haizina!
Ilay fahasambarana lasa fanaintainana,
toy ny am-bohitry tanànan’Ankaizina!
Si... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/tsy-hoe-raha-tsy-miteny | TSY HOE RAHA TSY MITENY | AnjaraNivo | TSY HOE RAHA TSY MITENY
Ny fiainam-piandohàna,
Ny lalanao fahiny fony tany am-pahazazàna
Dia tena fiainan-dafatra
Kanefa na izany, tsy nilaozan'afatrafatry ry dada sy ry neny:
"Ity tany lehiretsy
, tsy hoe raha tsy miteny
Dia tsy hanimba anao ny akony!
Izay tsara filalao no afaka handresy izay ho ankasony!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tamberina | Tamberina, | Nosy Malala | Tamberina,
Nisy kalanoro hono tany ampianaranay,
Tamin'ny taona valopolo tany ho any izy izay.
Rehefa andeha hivoaka dia tena feno ahiahy,
Mbola velona any ve I Rakalanoro zay ?
Tsy kalanoro ihany fa biby olona koa,
Nampihorohoro, marina moa ramatoa.
Nivoaka gazety mihitsy aza ilay sary,
Ny tapany olona ny tapa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/paoly-sy-piera | PAOLY SY PIERA... | RRAG | Ialana tsiny amin'izay mety ho tohina fa tsy nenti-kanenjika olona akory ity tononkalo ity fa ainga sendra nandalo fotsiny
PAOLY SY PIERA...
Fahiny rehefa ianao ka napetrany,
tsy nisy ala-nenina mba niantso akory!
Ny ora miodina toa tsisy fetrany,
mitsanga-mitoetra dia injao sorisory!
I Paoly no nandrasana tamin'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/nahoana | Nahoana | Nosy Malala | Nahoana,
Nahoana ny foko no mitaraina hatrany,
Mandeha lava ny saina toa lasa vinany.
Nahoana angaha ireo havana any ho any,
No mijaly sy sahirana, mitoreo hatrany.
Nahoana ny tononkaloko no tsy sasa mitaky,
Mihika fahamarinana hatrany anaty...
Manentana ireo namana tsy ho ambakaina,
Mitaraina fahasahiranana mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/voninkazo-tankariva | VONINKAZO TAKARIVA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | VONINKAZO TAKARIVA!
iny sisin-dalana iny!
rehefa alina tontolo,
vao mamelam-boninkazo.
voninkazo maro loko
sasa-miandry ilay fanala
hahamandina ny felany
iny sisin-dalana iny
rakotra'hazo midoroboka,
nodidinim-boninkazo!
voninkazo tsara kolo
tsara endrika sy kanto
fa samihafa tombam-bidy
indro elankelan-tr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/letchi | Letchi | Nosy Malala | Letchi aty,
Fa nahoana akia,
Rehefa vokatra ny letchi.
Dia manta kely ery...
No mba hitanay aty ?
Izany ve akia dia mampikolay ?
Tongava fotsiny aty aminay.
Aty ndry mahita tena milay,
Tsy dia lafo loatra ny garaba iray.
Mba fanontaniana anie ny ahy,
Mety hampidimbola ho an'ireo tantsaha.
Betsaka mantsy no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izay-no-fetra | IZAY NO FETRA… | RRAG | Raha hoy i JJR hoe: “Tsy mba vero na mba rangolahy, no manafina an' io fasana io, fa ny nofoko zary manahy, no mandrakotra omaly sy anio”.
Dia hoy aho hoe:
IZAY NO FETRA…
Ry nofoko be fanahiana,
tsy hahaleo fahafatesana ianao!
Fa fotsiny hoe faniriana,
ny hivelona foana toy izao!
Ny lahatra lahatra ihany,
voaso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tsy-mitsolotra-intsony | Ady amin'ny tsolotra | Nosy Malala | Ady amin'ny kolikoly,
Izay taona maro niainana izay,
Nanjakan'ny kolikoly mamaivay.
Tia tanindrazana eo amin'ny molotra,
Fa maika sy kinga raha hanao tsolotra.
Ao antsaina ao dia tsy sarotra mihitsy,
Ny ady amin'ny risoriso, mandeha lalana mahitsy.
Mandray andraikitra ve ireo manapahefana,
Mbola mandifotra ny k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-valala-misy | NY VALALA MISY… | RRAG | NY VALALA MISY…
Tsakoy am-pitoniana ny re sy tsapanao,
fa aza misendraotra amin’ny zavatra tsy hita!
Fakafakao tsara koa ‘zay hitanao,
sao lahy mantsy hanenina amin’ny fihetsika ho vita!
Jereo ny vokatra entiny, farito eo ny tanjona,
aza maika akory, ny hanapa-pifandraisana!
Na maika hanameloka, ka avy hianjonan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aato | AATO… | RRAG | AATO…
Moa ry foko tia, azoko angatahina
anao fotoana fohy, ny tsy hitepoinao?
Na azoko anatahana, azoko silahina,
ny fari-pitiavana, misy eo aminao?
Aato ora vitsy, segaondra maromaro,
fa reraky ny jaly, ny atiko rehetra!
Leo ola-mifamaho, mifangaroharo,
mikiky ny herin-tsaiko, an’ora tsisy fetra!
Aato vetivet... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tsy-hanaiky-intsony | Tsy hanaiky intsony | Nosy Malala | Tsy hanaiky intsony,
Iza no mbola ahasahy hitraka,
Raha izay mijoro dia ho voadaka.
Iza no mbola ahasahy mijoro,
Ny maty rehetra lasa tsy nisy nisolo!
Ento aho raha tongotro fa tena mandoro,
Ny hazalambo sady feno torotoro.
Raha manohitra enao na hoe mba mijoro,
Dia potika hatreo ny ho avy manontolo.
Tsy izan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/kalitao-malagasy | Kalitao malagasy | Nosy Malala | Kalitao Malagasy,
Malagasy tia tononkalo.
Malagasy tia mitantara angano.
Malagasy mampianajanaka.
Malagasy tena fakahantahaka.
Malagasy tia tsiky lava.
Malagasy tsy manao kobaka ambava.
Malagasy tia fandrosoana.
Malagasy miara mirona.
Malagasy mahay Mifanaja.
Malagasy tsy miady lava.
Malagasy tia fivavahana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izay-no-fiainana | IZAY NO FIAINANA… | RRAG | IZAY NO FIAINANA…
Nolalovantsika ny tsisy sy nirina,
ary teo ny aina ka tonga teto an-tany.
Asa io angamba ‘lay andro fiaviana,
tsarovana isan-taona, tsy hadino hatrany!
Teny an-trotroina no nanomboka nibada,
nihiaka nitomany tsy hay ‘zay raha ilaina.
Taona vitsy monja, dia ‘njao niantso Dada,
efa fetsifetsy sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahafaham-po | FAHAFAHAM-PO | Fredy Jaofera | FAHAFAHAM-PO
Ny voankazo tsara hotoazana,
na rahoviana dieny tsy lo,
mitaky fahamasahana ;
tsy amin'ny fahombiazana
no misy fahafaham-po
fa amin'ny fiezahana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/ambadika | AMBADIKA | AnjaraNivo | AMBADIKA
Firifiry moa ireo milaza ho tsy tambazana
Mitonona ny tenany hoe tia ny tanindrazana?
Kanefa ny any ambadik' izany teny izany
Dia fo mitady handrombaka ny harena an-kibontany.
Ny teny avy any ambavany toa tany midadasika
Ny toky izay lazainy tsy hita isa toy ny fasika
Fa ny tena anton' ireny teny ireny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/mifankatiava | MIFANKATIAVA | Hajanirina Mahavaly | Ity misy hafatra tiako ambara
Koa samia àry isika mihaino tsara
Mifankatiava dieny mbola azo hatao
Fa mandalo anie izao fiainana izao
Ity tanintsika ity tsy hipetrahana ela
'Ndao hifankatia sy hifanasoa ka hifamela
Didy napetraky ny Tompo izany ho ahy sy ianao
Ka saino sy diniho sao dia hanenenanao
Aza be fanga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toa-hoe-efa-sambatra-izy | TOA HOE EFA SAMBATRA IZY...! | RRAG | TOA HOE EFA SAMBATRA IZY...!
Irony sento tsy natsahatry
ny adiady maro vita,
ireny ranomaso raraky
ny alahelo tsy voatanisa,
no famari-pijaliana
nilomanosam-pony tia,
zary lasa fifaliana
akany honenan'ny fitia!
Iretsy raozy nihintsan-dravina
sendra felam-bony maina,
irony sedra nahatsiravina
nandratram-pony... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/reko | REKO... | RRAG | REKO...
Reko io maraina io
ny hiakan'alahelo
nandrotika ny fony!
Miendrika tadio,
aloka mihelo....
Rivotra tsy tony!
Reko ny gogony
mandatsaka tomany
misento am-panembonana!
Voatsindrona ny fony
dia nifongatra ny omaly
namelam-pahatsiarovana!
Nanentona ny fofon'
ny fery aman-taona
noheverina efa maina!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy/asolo | ASOLO | Nosy Malala | Asolo,
Raha ny asa no atao solona kabary,
Angamba dia hamokatra be ny vary.
Raha fankaherezana no asolo fialonana,
Angamba dia hitobaka ny vahaolana.
Raha tsiky no atao solon'avonavona,
Ny rahona manaloka, vetivety dia hanjavona.
Raha ny fanandratana no asolo fanambaniana,
Angamba tsy ho omby tratra ny hafalian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tena-filamatra | TENA FILAMATRA | Nosy Malala | Tena filamatra,
Tsy ho noana, tsy akory,
Sady tsy hampahonena,
Ireo tsy avela intsony,
Mampahantra firenena.
Rariny ve izany,
Hoe manan-karena ny tany ?
Fa olombitsy ihany,
No misitraka izany ?
Firy moa ireo efa lasana,
Tsy namaky teny akory,
Niaina tanaty fanambakana,
Tsy afaka nandeha antsekoly !
Firy k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nahitako-fiadanana | TSY NAHITAKO FIADANANA | Fredy Jaofera | TSY NAHITAKO FIADANANA
Tsy nahitako fiadanana
ny soany mamirapiratra
ka nanimba fihavanana
sy maso 'zay nihiratra.
Tsy nahitako fiadanana
ny trano be mangatsiaka
matoa tsy nanompanana
ny haravoana tsara bika.
Tsy nahitako fiadanana
ny harena izay naderany
ka mainka nanafoanana
'zay tena anjara toerany.
Tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahavaratra-2 | FAHAVARATRA | Fredy Jaofera | FAHAVARATRA
Ny andro mahatsiravina
fa mikotroka ny varatra
sy manoram-be, malala ;
mihintsana ny ravina,
ny tonga, fahavaratra
fa ny foko tsy miala ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/soloy | Soloy | Lee Andrianalaina | Soloy
Soloy ho teny mamy
Ireo latsalatsa hatrizay
Ho fifaliana hatrany
Fa tsy ratra mahamay
Soloy ho tsiky mirana
Ilay alahelo manafika
Aza tao misompirana
Fa ataovy mba manatrika
Soloy ho lasa vavaka
Ireo teny ratsy fanao
Mba tsy ho solafaka
Ilay finoana am-ponao
Soloy fiderana ilay nahary
Ireo hirahira ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mahaiza-mifety | MAHAIZA MIFETY… | RRAG | MAHAIZA MIFETY…
Mijojo manerika mamando tava
ny oran’ny maso mirotsa-tomany!
Sento sy embona anaty kotaban’
iretsy kilonga milalao sady faly
no misintona vetso tsy hay nofafana!
Injay fa mahatsiaro ny fahazazana!
Ilay fahazazana tanilan’i Dada
sy i Neny mpitamby amin’ny ora mafaitra!
Tsaroana hatrany irony han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-nisy-fanjakana | RAHA NISY FANJAKANA | Fredy Jaofera | RAHA NISY FANJAKANA...
Raha nisy Fanjakana
'zao tanintsika izao
dia efa tany nigagana
nivoatra tao ho ao.
Raha nisy Fanjakana
'reo olam-pirenena
dia nahazo fanovana
nifono fahendrena.
Raha nisy Fanjakana
'reo fitakiana maro
dia rindra nandikana
ny mety ka fantaro.
Raha nisy Fanjakana
ny aretina nitranga
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-fitiavana | I FITIAVANA... | RRAG | I FITIAVANA...
Noheveriko ho tsiky tsy lany hamamiana,
tsy hahatsapa ngidin'ny tsirom-piainana!
Nosainiko ho lapan'ilay fifaliana,
kinanjo koa moa an'ny fanaintainana!
Mibosesika loatra ny nofin'ny saina,
fa saingy tsy iainan'ny fo avokoa!
Noheverina hatrany hoe tsy mba miaina,
raha mbola tsy nandia fitiavan'ol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-ezaka | AMIN'NY EZAKA | Fredy Jaofera | AMIN'NY EZAKA
Amin'ny ezaka
mampitofezaka
no hisondrotana
rehefa hiontana.
Amin'ny ezaka
tratran'ny fezaka
rehefa ela loatra,
tsy afa-manoatra.
Amin'ny ezaka
tsy maha-bezaka
fa dia fikirizana
rehefa tohizana.
Amin'ny ezaka
tsy misy vezaka
fa fahombiazana
vao indro tazana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izaho-moa-no-iza | IZAHO MOA NO IZA? | RRAG | IZAHO MOA NO IZA?
Tany voavola aho dia nasian'aina,
notohofam-panahy hiavaka amin'ny voary!
Notoloram-po aho dia nomena saina!
Hitovy tsy hisy valaka aminao 'lay Nahary!
Izaho anefa no iza no tsy hihaino anao?
Rehefa solafaka vao mahay mankany!
Lasa fahazarako hatramin'izao,
'lay miantso anao raha sendra tomany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/raha-maty-ny-poeta | RAHA MATY NY POETA | AnjaraNivo | RAHA MATY NY POETA
Raha maty ny poeta dia mihena ny olo-manga
Kanefa ny hirahirany vao mainka kosa hitranga
Hiran'ny fanahy tsy hiety ho latsaka aina intsony
Hotanterin'ny avelony fa hirahiram-pony.
Raha maty ny poeta ho'aho tsy ho honohono sisa
Ny teny fahendrena sy fahaizam-boatanisany
Fa mbola eo ny fiaina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mpifanila-vodirindrina | MPIFANILA VODIRINDRINA! | RRAG | MPIFANILA VODIRINDRINA!
Nidoboka mafy tsy niato fidona ny foko mitepo!
Injany ny anaty fa misefo mora sy toa velon-tsento!
Zana-javatra angaha no misintom-pitia ity volan-tany?
Potika aminao tsy mihatsaravelatsihy izany foko izany!
Revo tokoa vao nahitan'ny bika miary 'reo toetra!
Mpifanila vodirindrina tokoa moa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/herim-pitia | HERIM-PITIA | Fidy Art Niaina | Aiza ho aiza re ny lalana ombako?
Lalana akaiky no sady manitsy
F'ireo voronkely roa bakobako ????
Mitsaingoka mafy ary koa tsy mitsitsy
Injao mitrena sy mivoavoa
Manenjika mafy avy ato aoriana
Jereo fa romotra be avokoa
Na ny omby masiaka ???? na ny amboakely tiana ????
Indreo raozy dia ????
Mampiranty ny ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/te-mba-ho | Te mba ho | Lee Andrianalaina | Te mba ho...
Fitia tsy mety maty
Tsy hay filaza
Mameno ao anaty
Tsy resin'ny mpihaza
Ireo aingam-panahy
Hery iray manaloka
Manadala ny fanahy
Tsy mba maty antoka
Te ho eo aminao eo
Mba hiara-hivetso
Ny ato am-po mitoreo
Fa fitia toa maneso
Te mba ho namanao
Eny, na izany fotsiny
No mba azonao atao
Raisi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/saro-miory | SARO-MIORY | Fredy Jaofera | SARO-MIORY
Saro-miory
ka tsara fanahy ;
mba mitory
fa dia manahy !
Saro-miory
ka miova toetra ;
mba fotory
fa mihavoretra.
Saro-miory
ka mitady fitia ;
manorisory
fa nampikodia.
Saro-miory
ka hitany ianao ;
tsy matory
ny aty ka lazao ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/tiany-ianao | Tiany ianao | Lee Andrianalaina | Tiany Ianao
Mafy ny sedra atrehany
Fa mitsiky hatrany izy
Ianao no mba ianteherany
Satria tena tia anao izy
Marary ny ainy, mangirifiry
Nohon'ny mafy ataonao azy
Fa fitiavany anao miha-mitsiry
Mahatonga azy miafy fa tsy voasazy
Misento isa-minitra ny fony
Miandrandra fitia aminao
Manantena ianao hampitony
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/tsaroako | Tsaroako | Lee Andrianalaina | Tsaroako
Iny rivotra mitsioka
Arahin'ny tadio
Sy ilay rano misosa
Ilomanosako anio
Toa nanaitra ny foko
Ilay rivo-malefaka
Adino ny toloko
Sy ilay fo nitandrevaka
Ilay fitsikin'ny lisy
Vao mangirana maraina
Nanantena tsy nisy
Ity fo velon-taraina
Tsy ho adinoko ianao
Nampifoha fo natory
Ary ny saiko nosa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/manam-petra-efa-hatrany | Manam-petra
Efa hatrany | Lee Andrianalaina | Manam-petra
Efa hatrany ampiandohana
No tokony efa fantatrao
Fa tsy maintsy hisy fiafarana
Ilay famololom-boninkazo
Tsy maintsy ho levon'ny orana
Ireo felam-boninkazao sarika
Izay tsy hazonao hofatorana
Fa vaventy no masika
Ka toy izany koa ny fitiavany
Izay nomeny anao rehetra
Nariany ary tsy notadiaviny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/indramiko....-ao-fa-mba | Indramiko....
Ao fa mba | Lee Andrianalaina | Indramiko....
Ao fa mba indramiko
Ny sainao raha mety
Entiko handinika ny hoaviko
Fa ny ahy simba vetivety
Reraka, trotrakin'ny jaly
Tsy afaka mandinin-davitra
Mahatsiaro tsisy mpamaly
Ilay saina efa ho antitra
Indramiko hoe ny fonao
Entiko hitia iny olona iny
Fa ny ahy efa torotoro
Simba mandrak'ankehitrin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/ilaiko-ilaiko-hoe-azafad | Ilaiko
Ilaiko hoe azafad | Lee Andrianalaina | Ilaiko
Ilaiko hoe azafady
Iny sorokao iny
Raha sendra mafy ady
Ianteherakl ry iky
Ilaiko hoe ny fitiavanao
Mba ho rako-boninkazo
Ratram-po anatiko ao
Nandalovan'ankaso
Ilaiko hoe ny fitsikinao
Entiko misedra onja
Mihenika anatiko ao
Toy ny alina am-ponja
Ilay na iray minitra aza
Ny hofihininao an-tratra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/ry-zandry | Ry zandry | Lee Andrianalaina | Ry Zandry
Nahoana ialahy mitomany
Lasalasa saina tsy fantatra
Aleo amizay izy ho any
Fa tanjona ataovy takatra
Efa ho firy volana izay
Ialahy malok'endrika foana
Ireo izay vitanareo hatrizay
Tokony efa sitran'ny fotoana
Zandry a, ekeko fa mahery fitia
Fa izao no ataovy an-tsaina
Ilay Ray ao ambony mitsinjo n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/nankaiza.....-nankaiza-i | Nankaiza.....
Nankaiza i | Lee Andrianalaina | Nankaiza.....
Nankaiza ilay tsiky
Fa toa tsy tazana
Sento sisa ry iky
Sy ranomaso tatazana
Nankaiza fifalina
Sy endrikao miramirana
Toa lasa tsy nahalina
Ianao nisompirana
Nankaiza ilay voady
Izay natao hatrizay
Sa rava ka lasa ady
Mandoro mahamay
Rahona manjombona
Haizina tanteraka
Toa tsy mitombona
Na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/tsy-sahy-nisy-hery-iray | Tsy sahy
Nisy hery iray | Lee Andrianalaina | Tsy sahy
Nisy hery iray
Nanarona ny foko
Mitepo ho anao
Sy andian-toloko
Iny fitsikinao iny
Tsy mifafa an-tsaiko
Mandrak'ankehitriny
Tsy mety tony ny aiko
Ny ao am-po mitaraina
Ny mba hamborahako
Fitia mihatra aman'aina
Kanefa toa tsy sahiko
Tsy sahy aho satria
Sao hisy fandavana
Ka ho ratrako odoria
Ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/ny-lehilahy-l-loham-pi | Ny LEHILAHY
"L"-Loham-pi | Ora | Ny LEHILAHY
"L"-Loham-pianankaviana azo itokiana
"E" eny, Ezaka avy aminy mihitsy no ilaina
"H"-Hery feno tanjaka tsy lanilaniana
"I"-Iainkinan’ny zanaka ary koa andrandraina
"L"-Laza tokoa eo amin’ny fiaraha-monina
"A"-Andry lehibe ho an’ny ankohonana
"H"-Herana mijoro tsy maty vonoina
"Y"-Ilay Ray rehefa tena... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/iandrasako-fa-sarotra-in | Iandrasako
Fa sarotra in | Lee Andrianalaina | Iandrasako
Fa sarotra indrindra ny mitia
Eny, ny hotiavina ihany koa
Fony isika nisaraka ny dia
Mbola lasa aho nitady ny soa
Iza ary ilay nanitsaka làlana
Izay tokony nolalovantsika
Hisaorako azy na tsy nifarana
Ny foko ito mangatsiaka
Asa raha tadidinao ilay teny
Hoe: tiako ianao mandrapahatapitrin'ny fotoan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/tsy-hampitony-akory-na-d | Tsy hampitony akory
Na d | Lee Andrianalaina | Tsy hampitony akory
Na dia misy olon-tiana hafa
Tonga hanakely ny alahelo
Tsy hahafafa akory ny lasa
Fa hizarana tsiambaratelo
Na hanamivana ny sento
Ny fisiany eo anilako
Tsy hampitony fa mitepo
Hoanao ny hirahirako
Na ho tonga ny ririnina
Hodimbiasan'ny haintany
Na hiezahany hofihinina
Fa mitepo anao hat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/misy-fitia | Misy fitia | Lahatra Natiora | Misy fitia
Misy fitia vaky tsiry
Te handrobona toa voninkazo
Anatin'ny fo te hikiry
Te hamelana mba tsy halazo
Misy fitia vao namelana
Miloko ny loko dorehitra
Tsy hay raràna na aza noferana
Vao mainka nalaky nirehitra
Fitia tian-kiampita amin'ny tiany
Kanefa tsy sahiny ambara
Fa ndrao hono mantsy ho tsiny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/aleoko | Aleoko | Lee Andrianalaina | Aleoko
Injay zany hetraketraka ho ahy
Tsy mety hitako izay ho anjarako
Ity fo tsy tony, ny saiko manahy
Mieritreritra izay mety hiafarako
Midoboka mangina sedrain-toloko
Mikiky ao anaty ireo fery hatrizay
Navelan'ireo fitia tsy anjara nosotroiko
Aleko hiandry any amin'ny mandrakizay
Fa nahoana kosa ry fiainana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/aza-anotaniana | Aza anotaniana | Lee Andrianalaina | Aza anotaniana..
Aza anotaniana fa efa fantatrao
Ny anton'izao fitomaniana sasak'alina
Aza tsapaina fa mety efa tsapanao
Ny herin'ny tomany sy sento lalina
Ny fahatsiarovana no anton'izany
Fa ny fo tsy mety ampitoniana
Aza anotanina fa fantatrao ihany
Manina sy mahatsiaro ilay tiana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/aleoko-injay-zany-hetra | Aleoko
Injay zany hetra | Lee Andrianalaina | Aleoko
Injay zany hetraketraka ho ahy
Tsy mety hitako izay ho anjarako
Ity fo tsy tony, ny saiko manahy
Mieritreritra izay mety hiafarako
Midoboka mangina sedrain-toloko
Mikiky ao anaty ireo fery hatrizay
Navelan'ireo fitia tsy anjara nosotroiko
Aleko hiandry any amin'ny mandrakizay
Fa nahoana kosa ry fiainana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/matsatso | Matsatso | Lee Andrianalaina | Matsatso
Raha ilay tiana sy mamy
No nandao ka tsy hita
Bongon'ny sento tomany
Tsisy zavatra ho vita
Ny fo satrotra ampingina
Ny saina tsy mety ho tony
Manantena fona hofihinina
Mitady tanana hampitony
Ny andro lasa mitamberina
Ireo sampanana nodiavina
Tsy ho voafafa na kosehina
Manantona fona na nolavina
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/david-john-lee-andrianalaina/iny-alina-iny-alina-miso | Iny alina iny
Alina miso | David John Lee Andrianalaina | Iny alina iny
Alina misompatra
Nandratra ny fo
Tsisy nanohitra
Ilay fitia efa lo
Nahoana ianao
Niverina indray
Namerina ny lasa
Izay vita hatrizay
Iny tavanao iny
Ry Tiako malala
Mampatsiahy ny fahiny
Mahalasa adala
Tonga indray ity alina
Hamely ny foko torotoro
Izay tsy laitra anarina
Fa fitia mandoro |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lee-andrianalaina/aza-avela-hahalala | Aza avela hahalala | Lee Andrianalaina | Aza avela hahalala
Raha sendra ho any ianao
Hamangy iny malalako iny
Eny efa tsy ahy fa nandao
Ka hoe malalako fahiny
Lazao azy fa efa tony sahady
Ilay afo miredareda noho azy
Lazao azy fa efa tsisy ady
Na fahoriana toy ireny sazy
Raha hitanao izy, aoka ianao
Tsy hilaza ny marina aminy
Lazao izy fa efa nadin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/revin-gisa | REVIN-GISA | Nosy Malala | Revin-gisa
Satriko lahy rehefa hohanina ihany,
Dia aleoko any akaikin'ny namako hatrany.
Tsy mety ilay teritery ao anaty sobika,
Ambony fiara, mandrivotra sy mangatsiaka.
Mitabataba ny vorontsiloza sy ny akoho,
Mandatsaka , mamofona, marary ny loha.
Ny lalana diavina mbola mandritra ny alina,
Izahay mifatotra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rindra | RINDRA | Fredy Jaofera | RINDRA
Ny tari-dalana ilaina
tsara foana harahina
azo ahindrahindra :
rehefa izay lazaina
no zava-tanterahina
dia hisy ny rindra ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/tsy-izay-taratasy | TSY IZAY TARATASY | AnjaraNivo | TSY IZAY TARATASY
Tsy izay taratasy galona aman'hetsy
No antsoina ho fahaizana sy fahalalàna
F'izay tetik'ady nahafaha-nandresy
Ny fandrika teny amin'ny lala-nombàna.
Tsy izay taratasy nosandaina vidy
No ireharehàna ho hajan'ny nofo,
Fa ny famoronana fanalahidy
Ahafaha-manàla ny zioga ho porofo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tononkalonm/aza-manahy | AZA MANAHY | Nosy Malala | Aza manahy,
Ho avy izany andro izany,
Handaozana indray ity tany,
Nivohizana ny Mamy,
Nampitombo ny finoana hatrany.
Ny faniriana amin'izay andro izay,
Za tsy afaka hiteny intsony ry lahy.
Ka dia ambara aminareo anio,
Izay nofinofy ka mba tadidio.
Aza misahirana amin'ny asiana ahy,
Mety daholo fa aza manahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/notadiaviny | NOTADIAVINY | Fredy Jaofera | NOTADIAVINY
Izay no vita
rehefa niasa
fa tsy notiaviny ;
teo aho tsy hita
fa rehefa lasa,
notadiaviny ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/ny-fo-tia | NY FO TIA | Ora | Ny Fo tia dia mahatsiaro mijaly ary tena marary
Tsy mba manana vava afaka hilaza ilay hirifiry
Tsy mba afa-miteny raha sendra ireny lefo-maranitra
Fa mbola miharitra
Mitempo malaky manao haingam-pandeha
Mihazakazaka tsy mahalala lanaka mba ho aiza no aleha
Ny olona manana ilay Fo Tia tsy sarom-pantarina
Be fande... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-poety | NY POETY | Fredy Jaofera | NY POETY
Ny poety
dia vorona be
mikopaka elatra
mitety,
na aiza ange
fa tia mivelatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nampiroaroa | NAMPIROAROA | Fredy Jaofera | NAMPIROAROA
Nampiroaroa
'lay fitiavany
fa nisy tokoa
'tony vavany.
Nampiroaroa
ny hirahirany
f'efa mba voa,
voaviravirany.
Nampiroaroa
ny haravoany
nihelina moa
ka dia nitony.
.Nampiroaroa
'zay fikasany
fa izy taloha,
tsy toy izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fireneko-no-tanindrazako | NY FIRENEKO NO TANINDRAZAKO | Fredy Jaofera | NY FIRENEKO NO TANINDRAZAKO
Ny fireneko no tanindrazako
ngeza avy tamin'ilay Nahary
ho reharehako sy ho lazako,
na dia tsy hita ho lavorary !
Ny fireneko no tanindrazako
nandatsahana an'ity tavony,
satry ery ho fahombiazako
tsy hampahory ahy intsony.
Ny fireneko no tanindrazako
mba holovain'ireo taranaka
mat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahaleovantena | FAHALEOVANTENA | Fredy Jaofera | FAHALEOVANTENA
Ny fahaleovantena
dia soatoavina
sarotra omena
ka aza lavina.
Ny fahaleovantena
dia zo sarobidy
tsy azo hosena
sy feno adidy !
Ny fahaleovantena
dia sorona iray
tsy hampihena
ny hery voaray.
Ny fahaleovantena
dia fandrosoana
mivoy fanekena
sy fanompoana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ambony-noho-ny-vola | AMBONY NOHO NY VOLA | Fredy Jaofera | AMBONY NOHO NY VOLA
Ambony noho ny vola
ny fitiavan-tanindrazana
ka tsarovy fa tsy ho tola
raha mila fahombiazana.
Ambony noho ny vola
ny fanompoana ny tany,
na dia mafy mahanjola
ny fahantrana sesilany.
Ambony noho ny vola
ny fanandratana azy ery
ho tena fiainana midola
zary ho maro mpankafy.
Ambony noho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/reny-very-kapa | Reny very Kapa | Nosy Malala | Reny very kapa,
Nankaiza ny kapako teto?
Raharaha mihitsy zareo reto.
Vao mipetraka kely dia misy maka,
Iza iza ndray no naka ny kapa ?
Ireto zaza ireto tena mampitoreo,
Nefa efa samy manana ny azy zareo.
Ny kapan'ny mama no be mpitsiriritra,
Hifandrombahan'ireo zay mahita. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/ireo-hery-efatra | Ireo HERY EFATRA | Ora | NY VINTANA
Endrika iray ilazana
Haratsiana na koa hatsarana
Voaray maimaimpoana
Tsy nanampoizana izany fotoana
Toa sendrasendra tsy nahy
Ity hery ankiray sahisahy
Nametraka sady nandidy
Tsy mba hananan-tsafidy
NY ANJARA
Tsy azo lazaina ho safidy
Fa nisy ny fifandrombahana
Ahazoana ny anjara tandrify
Izay v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yromy-ravelo/moa-va | Moa va? | YRomy RAVELO | Moa va?
Rava sahady ilay niarahan-tsika nanangana
Nofy sisa ilay tantara nolalaovin-tsika,mahamanina
Tsiaro ireny nifampitantana teny morontsiraka
Niara nifanositosika teo ambon-tsorapasika.
Ankehitriny nefa,
savoritaka nosin-tanim-pitiavana
Sarotra ahorina sy harenina ny fahatokisana.
Ilay mba tiana sy Nantena... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/madagasikara | MADAGASIKARA | Fredy Jaofera | MADAGASIKARA
Madagasikara
no tanindrazako
mivimbina anjara
avy amin'ny razako.
Madagasikara
no tanindrazako
mahatretrika tsara
sy harena sahazako.
Madagasikara
no tanindrazako
'zay mampisavoara
vao mbola tsy tazako.
Madagasikara
no tanindrazako
ka hatrany am-para,
tsy ho foiko fa lazako. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.