url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fadiranovana | FADIRANOVANA | Fredy Jaofera | FADIRANOVANA
Ravao re ny fahalovana
fa fahavoazana
tsy voatanisa ;
ho an'ny fadiranovana,
ny tanindrazana
no harena sisa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/ilay-fifanenana | ILAY FIFANENANA | Ora | Fa hono ho’aho?
Tsy tadidinao angaha f’izaho ilay tovovavy nifanena taminao
Eny e, mety ho tsy tandritandrinao
Nefa tena tsaroako mihitsy ilay isika nifanena tamin-dalana mahitsy
Ianao ianao irery!... izaho izaho irery!
Ka mody tsy nijery ny masonao nitopy nanombatombana ahy
tamin' izay no tsapako tsy nisy ohatr’... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/misaotra-sera-sera- | Misaotra Sera sera ! | Nosy Malala | Misaotra sera sera,
Misaotra manome Tanana,
Manome fahafahana,
Hizarana soratanana,
Amin'ny ankalalahana.
Ny mpamaky koa,
Toa maontina avokoa
Mifanaja zo,
... Mendrika tokoa.
Misaotra sera sera,
Ho ela velona sy ho ela,
Ny fiarahantsika eto,
Arahankehy sy ny sento.
Rado, Dox na poety vao manomboka,
Manan-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tano-mafy-ny-finoana | Tano mafy ny finoana | Nosy Malala | Tano mafy ny finoana,
Tafitohina ve dia ho simbaina ny finoana,
Novoizina hatr'izay, taona maro nokoloina.
Hofafana toy ny tsisy, satria tezitra ilay fo,
Raha izay no Safidy...... atao ahoana moa !
Tafitohina ve dia ho adinoina avokoa,
Ireo fahalalana, fahagagana niainana taloha ?
Tafitohina ve no hanariana ireo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/fitopolo-taona-androany | FITOPOLO TAONA ANDROANY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Fitopolo taona androany, ilay olona iray.
Ny volony mainty taloha, efa tena nihafotsy.
Ny heriny sy tanjany, izay nomen'ny Ray,
nentiny nanasoavana, nentiny nandrotsirotsy.
Ny feony avo nanaitra, nizarany ny tao am-pony;
efa iva dia iva, tsy toy ny taloha intsony.
Fitopolo taona androany, ilay olom-pirenena,
nan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/papa-malala | PAPA Malala | Nosy Malala | Papa malala,
Raisina ny penina anio ry papa malala izany,
Hiarahabana anao, satria fetinao androany,
Ianao ilay taizan-drenibe tany ambanivolo tany,
Izay nampian'ny dadabe ka nanohy fianarana ihany.
Eninambifolo taona moa vao nahazo pataloha...
Nivarotra gazety, niandry omby koa....
Nianatra tany ambositra, not... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/iraikambienimpolo-tanna | Iraikambienimpolo taona | Nosy Malala | Iraikambienimpolo taona,
Fantako fa ireo mpitolona namoy aina, (dia)
naniry fa ny rany latsaka tsy ho very maina.
Nitolona izy ireo ho an'ny Madagasikara,
Mba hifaly sy hiaina ny taranaka amam-para.
Iraikambienimpolo taona izay,
No niandrandrana fandrosoana ry lahy !
Asa angaha ny Fahamarinan'ny tsirairay,
No d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/henoy-ange-rankizy- | HENOY ANGE… | Ora | HENOY ANGE…
Rankizy !!
Tsy dia hoe izy no tsy misy atao
Afa-tsy ny mitabataba aminao
Rehefa miteny
Fa henoy ihany ireny anatra omeny
Sao ho neninao
I Neny anie raha toa ka mampiakam-peo
Dia aleo hazava
Fa te hanalavitra anao ny toreo
Ka henoy lalandava
Mampahafantatra anao sahady
Ka henoy azafady
Milaza am... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ho-lasa-lavitra | TSY HO LASA LAVITRA | Fredy Jaofera | TSY HO LASA LAVITRA
Tsy ho lasa lavitra
izay tsy mahalala
ny lalan-kalehany,
na dia mandrafitra
ny ilaina vao miala
hahatsara ny sehany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/inona-ny-laoka | INONA NY LAOKA | Nosy Malala | Inona ny laoka ?
Inona moa ny laoka omaly,
Tamin'ny Tonga teo levaly.
Saosety natao saosy ,
Izay no takatry ny paosy !
Inona ny laoka anio,
Azafady mba valio,
Ny ambiny omaly ihany,
Ny saosety mbola tsy lany.
Inona ny laoka hariva ?
Ny vary koa madivadiva,
Mety tsy ho ampy hariva intsony,
Raha tsy hoe anga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/izy-ilay-dada | Izy ilay Dada | Pissoa | Izy ilay Dada nanao an-tsangory
Fony ireo tongotro tsy nahay namindra
Izy ilay Dada tsy mba azon-tory
Nihevitra izay hahasoa ahy indrindra.
Izy ilay Dada tsy mba mihalangalana
Mananatra hatrany sy mitondra am-bavaka
Izy ilay Dada, mbola manoro lalana
Na efa lehibe aza izao ity zanaka.
Izy ilay Dadako, mamiko in... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/iny-lalana-iny | INY LALANA INY | Nosy Malala | Ny lalana mankany aminay,
Ny lalana mankany aminay,
Dia tena mampikolay,
Dimy kilaometatra adiny iray,
Rehefa avy orana, very zahay !
Ny lalana mankany aminay,
Feno laodaoka manimba ny fiara,
Ka azafady re mba jereo tsara,
Fa Tena enjana ny ho avy any afara.
Ny lalana mankany aminay,
Ny filaminana tena tsy ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aba-baba-dada-papa | ABA! BABA! DADA! PAPA! | RRAG | ABA! BABA! DADA! PAPA!
Samy anarany iaby!
Fa ny toetra no mamaritra,
raha mendrika ianao!
'Lay tsy mitsaha-miady,
mamelona finaritra,
ny ankohonanao!
Ilay tsy handry andro,
alina tsy feran'ny asa famelomana!
No taratra masoandro,
fanilon'ny an-tokonana!
Iza no iantsoako anao,
ry 'lay mpamelona mpiaro?
Fa a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/avia-ra-orana- | AVIA RA ORANA Ô ! | Nosy Malala | Avia ra orana ô !
Fa maiky loatse ity tany,
Tsy misy ty hany ho hany,
Ireto hajà rokaky mitany.
Avia ra orana ô !
Fa Mila anao iahay,
MBA tsy ho lasa tany hay,
Soa avao hamokatse indray.
Avia ra orano ô !
Fa mangetaheta iahay,
Toy hafanana mahamay,
Orontanety hifona ahay.
Avia ra orana ô !
MBA vangio iaha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/zaza-sy-lalany | ZAZA SY LALANY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | ZAZA SY NY LALANY!
eny an-dalana eny
misy zaza malagasy
tsy mba misy ray,
fa kosa velon-dreny
tsy any an-dakilasy
tsy anaty trano lay,
fa mitoetra anaty fako!
eny an-dalana eny
feno zaza tsy niriana
feno zaza verivery
angamba tsisy reny
na niniana koa nariana
ka zary miady irery
sy miaina anaty fako
iny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/manampy-ani-mama | MANAMPY AN'I MAMA | Nosy Malala | Manampy an'i mama,
Hiandry an'i mama foana ve?
Vao mahafantatra ny atao ry' se.
Mama efa reraka sy mba sahirana,
Nareo miandry Antsoina "Avia hihinana" .
Andao, ry zareo asiana tabilao,
Zaraina ny asa, inona no atao ?
Mampirina fandriana, mamafatrano,
Mamerina amin'ny toerany ny zavatra ato antrano...
Tsy mifa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/masoandro-volana-kintana | Masoandro, Volana, Kintana | Nosy Malala | Masoandro, Volana, Kintana,
Masoandro enao ka mibaliaka,
Manafana izay rehetra mangatsiaka.
Masoandro mahamiramirana,
Mampitsiky ny manana sy ny sahirana.
Volana enao ka manazava,
Na ny maizinkitroky ny alina aza.
Nampandrosoinao ireo siantifika,
Mirehareha ireo rehetra mahavita.
Kintana enao ka mamiratra,
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitokisana | FITOKISANA | Fredy Jaofera | FITOKISANA
Ny fitokisana
dia sarotra azo
fa mora very ;
aza kikisana
sao re ny tazo
no haneritery. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-mamonjy-firenena | IZAY MAMONJY FIRENENA | Fredy Jaofera | IZAY MAMONJY FIRENENA
Izay mamonjy firenena
dia tsy mandika lalàna
fa mandala fahendrena
sy mba feno hatsarana.
Izay mamonjy firenena
dia mijery 'reo vahoaka
fa tsy izay fitiavan-tena
hita foana vao mivoaka.
Izay mamonjy firenena
dia manandratra ny tany
hiandrandra fandresena
ho haravoana sesilany.
Izay m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fahaleovantena-ahoana-koa-eh | FAHALEOVANTENA AHOANA KOA EH? | RRAG | FAHALEOVANTENA AHOANA KOA EH?
Raha dia an-tongotra efa, ny taona maromaro
nahafaha-nosintsika. Dia angamba efa valaka!
Alaivo sary an-tsaina moa, ‘reo sedra nifangaro,
nahatonga ireo kanosa, tia tena hiatakataka.
Fa ao ny valin-teny, tiana ho hatongavana.
Tao ny sahy niroso, tao ny nialangalana!
Raha tetezan-kaz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manitra/vavaka | VAVAKA | MANITRA SJO | VAVAKA
Ry Andriamanitra, ray faratampony,
Tompon'ny hery sy ny fahefana!
Tahio izy tsy ho folaka an_dantony,
Arovy amin'ny ratsy sy ny asan'ny satana!
Omeo hery, fanahy fahazavana,
Hanilo ny diany mba ho tafita!
Ho tody soa amantsara aty an_tanàna,
Hahavita fianarana tsy misy tomikA!
Ny fahasalamany, ombao fit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-marina-kay- | TSY MARINA, KAY ! | Fredy Jaofera | TSY MARINA, KAY !
Tsy marina, kay,
ny fitiavanao ahy
matoa tsy voaray
ny tokim-panahy.
Tsy marina, kay,
ny hanandratana
ny talentako izay
andry mivantana.
Tsy marina, kay,
ny hamohazana
ny tigetrako iray
fa fahavoazana !
Tsy marina, kay,
ny hanondrotana
ny tenako hahay
fa ho korontana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manompo-tanindrazana | MANOMPO TANINDRAZANA | Fredy Jaofera | MANOMPO TANINDRAZANA
Manompo tanindrazana
dia lahasa mahavariana
tsaroana ho be karazana
sy mivoy fahamboniana.
Manompo tanindrazana
dia andraikitra mafonja,
tsy ialana rehefa tazana,
na ho vetivety monja !
Manompo tanindrazana
dia adidy mahafinaritra
mitondra fahombiazana
izay mba mahatsikaritra.
Manompo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nametraka-dia | NAMETRAKA DIA... | RRAG | NAMETRAKA DIA...
Nahay niangola an-teny, nambabo fo nitia!
Dia teny rehetra teny, no nanorina fitia!
Nikiky ny hamamin'ny fitiavana dia niala!
Nametraka dia.... Hitady koa hanala a?
Milangolango fatratra amin'ny teniteny mamy!
Tsy nety ny ho sasatra amin'ny fanantena angano!
Midoka tena mafy tsy manana sahala!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-fireneko- | RY FIRENEKO ! | Fredy Jaofera | RY FIRENEKO !
Tiako ho anao, ry fireneko,
no handatsahako ny aiko
fa efa tanjona kendreko
ny hanondrotra fa baiko.
Tiako ho anao, ry fireneko,
ny hisian'ny fanambinana
fa faniriana mbola ekeko
ny hanjakan'ny filaminana.
Tiako ho anao, ry fireneko,
'reo rehetra ka haravoana
mbola ho hery na ho seko
rehefa ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/te-ho-poeta-aho | TE HO POETA AHO | NY HERIMAR | TE HO POETA AHO
Tsy misy ainga fa nandray penina,
Niasa saina kely nibitsi-tao am-po;
Nalefako ny fanahy nitondra tamberina,
Namoha ireo tsiaro nalevina taloha.
Gaga ny saiko amin'ireto poeta,
Ilay tato an-dohako no efa voasorany...
Saingy amin'ny fomba voatefy talenta,
Izay ao am-pony no tena naborany.
Maniry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/talenta | TALENTA | Nosy Malala | Talenta,
Izany ve no atao hoe manana talenta?
Izaho anie tsy mba noana ary tsy nangetaheta,
Hanoratra tononkalo, poety ho an'ny rehetra,
Fa ny ato anatiko ato, tsy mamela ahy hitoetra.
Ireo Havana sy namana, namaky ny soratanako,
Nandoka sy niteny, "manaova boky re rahavako" .
Fampaherezana, nihomehezana, sangis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/hiram-betsovetso | Hiram-betsovetso | Ny Avana Ramanantoanina | Soratako ny hirako
Aty an-tsisin-tany
Ka izy no mba irako
Hanony izay tomany.
Ô! hira tsy marevaka
Fa kalon'olona ory;
Malako sy malefaka,
Fanaoko raha hatory.
Ka eo am-baravarana io
No maka rotsirotsy,
Injay manarangarana
Ny tara-bolafotsy,
Ny kintana eny an-danitra,
Indreo mangalahala;
Mitopy sady manit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ity-paradisa-ity | ITY PARADISA ITY | Nosy Malala | ITY PARADISA ITY!
Tsy nampoiziko ho tsara toy izao aty,
Ny vatana no tsy eo fa ny Fanahy miriaria.
Fotsy manjopika, mamiratra ery,
Lafatra sy Kanto ity paradisa ity.
Endrey ny hafalian'ny fo raha nahatazana,
Ireo olontiana nialoha, efa lasankorazana.
Nahavita adidy, nandao ilay tany ngazana,
Nandroso ara panahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tokantranonay | Tokantranonay | lain's rakoto | Ny ato an tranonay
Misy zava maromaro
Samy hafa mifangaro
Ny ao an dakozia
Ny vilany sy lovia
Arina,kitay menaka,afokasoka,kifafa
Borosy nify ,menaka ,solitany
Hita ao koa ny zandrin'ny vilany
Toy ny lapoaly ,kafitera,terimaosy
Hita ao koa ny jiro fanao am -paosy
Ny tavy mandry zinga kely hoan'ny dosy
Tsy az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/-mba-menatra- | Ô MBA MENATRA ! | Nosy Malala | O mba menatra....
O mba menatra lehiretsy,
Nampihomehy I Kotofetsy,
Fa isika mametsifetsy,
Aoka retsy ! aoka retsy!
O mba menatra izay mpiasan'ny fahasalamana,
Mamela ny tsy manam-bola eo mihanahana.
Marina aloha fa matetika tena tsisy ny atao,
Fa raha fitiavam-bola mba vonjeo ny namanao !
O mba menatra ihany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ho-ani-madagasikara | HO AN'I MADAGASIKARA | Nosy Malala | HO AN I MADAGASIKARA,
Fantako ato anatiko ato,
Ny mpitondra tsara ho anao.
Fa tsy fantako mihitsy,
Aiza ho aiza izy indrisy....
Efa reraka nitolona,
Efa reraka nanantena,
Mbola be dia be ny olana,
Mahantra be ny Firenena!
Betsaka ireo mpanome vola ,
Hamatsiana propangandy,
Saingy tsy azo moramora,
Fa misy t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tara-masoandro | TARA-MASOANDRO | Nosy Malala | TARA-MASOANDRO,
Vao nisokatra ny maso,
Dia mahita ny taratrao.
Milaza hoe mifohaza, 'ndao,
Fa mazava ao ivelany ao.
Na dia mbola kamo hifoha,
Dia tsaroina ilay anatra soa.
Nohafaran'i nenibe Rasoa.
"Izay mazoto tsimaintsy mifoha".
Hanovo fianarana any antsekoly,
Ny alahady mialavoly, mianatra baiboly.
Ny asa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/nisafidy-aho-dia-ianao-n | Nisafidy aho dia ianao
N | lain's rakoto | Nisafidy aho dia ianao
Nitia aho dia ianao
Naka vady aho dia ianao
Natokako ny tenako Ho anao
Ny fitiavako rehetra dia Ho anao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rovitra | ROVITRA | Fredy Jaofera | ROVITRA
Efa rovitra ny harato
vao nomeny ahy
hanjonoako
ka tsy afa-nampiato
'reo tena ahiahy
efa nisoko.
Efa rovitra ny harato
vao tompony ery
amin'izay
ka nisento tato ho ato
fa tsy afa-nandihy,
na mahay ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/toetra-manipilatera | TOETRA MANIPILATERA | Nosy Malala | "Toetra Manipilatera"
Tsara fantarina ny toetra manipilatera,
Vereziny lavitra raha mitaveravera...
Manararaotra ho an'ny tombontsoany,
Zavatra hafa no tena karohany.
Ka tsara ho fantatra ihany,
Tsy tafavoaka, raha mifanehatra amin'izany !
Misy manipilatera , vava no kibay, dia manorohoro,
Tsy mananjo intsony ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-eto | TSY ETO | Fredy Jaofera | TSY ETO
Tsy eto ny tiako
ka lasa eritreritra ;
izao tsy niniako
raha eto milefitra.
Tsy eto ny tiako
ka tonga ny sento
tsy notakitakiko
ka foany na ento.
Tsy eto ny tiako
ka alefa ny hirany
tena hamamiko,
injay no fidirany !
Tsy eto ny tiako
ka mila ho sorena,
tsy dia nofidiko
ka 'reto maso lena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tsy-miandry-valibabena | TSY MIANDRY VALIBABENA | Nosy Malala | Tsy miandry valibabena,
Lasa ny eritreritra fa lehibe ireto ankizy,
Nobeazina ampitiavana, namitana izay adidy.
Na izany aza , raha toa ka mblola velonaina,
Eto foana papa sy mama hanampy raha ilaina !
Tianay be nareo rankizy, ho tiavinay mandrakizay,
Izay mahasambatra atao f'izay no fahafinaretanay.
Misafidia n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eluart-andriatovonirina/ho-inoko | Ho inoko | Eluart Andriatovonirina | Ho inoko
Ho inoko hirahira tsaratsara feo
raha ny feonao no tsy eo?
Ho inoko valiha mifoha antsokosoko
kanefa! .... maty anaty foko?
Ho inoko sitara sy jejy tsara tefy
raha toa ka HIRA moana amin’ny volon-dohataona no hanombinanao ny fefy?
Teny tsotra akia a:
“tsy misy fahombiazana raha tsisy ny fitia” |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/vady-tsy-mety-afa-po | VADY TSY METY AFA-PO | Nosy Malala | VADY TSY METY AFAPO,
Rehefa tsisy ny vola dia Izy foana no diso,
Izy efa sola mitady foana ny ho ampitso.
Mba maniry tambitamby tsikitsiky safosafo,
Izany rehetra izany nefa toa vidina lafo.
Miasa, mitrosa mangataka etsy sy eroa,
Ny vady nalaina tsy mety afa-po,
Latsa, dongy, ranomaso ihany koa....
Rehefa tsisy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ankamatatra-no-ataoko | ANKAMATATRA NO ATAO | Nosy Malala | Ankamatatra no atao,
Ankamatatra no atao raha toa ka fantatrao,
Iza ary ireo mijoro foana tsy mandao ?
Manampy na mety na tsy mety ny atao,
Tsy mahatombona, manontany vaovao.
Ilay mahafoy zavatsoa sady tena tso-po,
Lavitra ny rendrarendra, miaritra ny mafy koa,
Tsy misalasala miteny raha misy mahasoa,
Mitsangan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fety-tsisy-taoka | FETY TSISY TAOKA | Nosy Malala | FETY TSISY TAOKA,
Iza no vonona hifety tsisy taoka ?
Asaiko ny havana, namana sy ny ranaotra.
Ataoko matsiro ny vary sy laoka,
Ho avy razoky fa rehefa hisotro izy mody hivoaka...
Ho asiana hatsikana sy kilalao,
Izay te hihira, mandray mikirao.
Sokafana ny dihy atao ny afindrafindrao,
Miara-paly no tanjona, ny t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/tsy-ahaizana | TSY AHAIZANA | AnjaraNivo | TSY AHAIZANA
Tsy ahaizana mitady ny zarina tolorana.
Tsy ahaiza-manambady ny tsy fahazakàna olana.
Tsy ahaizana mifady ny tsy fahafehezan-tena.
Tsy ahaizam-pahantràna ny fanana harena.
Tsy ahaizana mifona ny vava tranon'hambo.
Tsy mahalala fitaka ny fo rehefa babo.
Tsy ahaizana ho malina ny fandri-matipaika.
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vinakio-ihany | VINAKIO IHANY… | RRAG | VINAKIO IHANY…
Tahak’izay aho nieza-nangina
nianoka vonim-pitiavana.
Saingy bebe fanahiana
sao mantsy ho lasa fandavana.
Inay aho tsy niteny intsony,
nangina nananika ny haavony.
Kanefa vao mainka tsy tony,
k’injay nakarapo-nalavony.
Tahak’izay mba nasehoko ihany,
tsy niteny fa tamim-pihetsika.
Tsy ho tazani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ny-tsikinao | NY TSIKINAO, | Nosy Malala | Ny TSIKINAO,
Fa tsy notsikin'ny vintana enao...
Teraka Tao antrano bongo tao,
Tsy nikapa nandeha nilalao
Dia nihalehibe amin'izao.
Ilay tsikinao natoraly,
Mahavariana mpizahantany.
Ny lelo dia miroraka,
Ny Volo tsy mihogo miroradroraka.
Tarehy feno tsiky, ny maso baribary,
Matsaka rano, manoto vary,
Antsoina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/indray-mandeha | INDRAY MANDEHA | Nosy Malala | Indray mandeha,
Indray mandeha ve no manta vary,
Dia handevin-tsotrobe ?
Fantatra fa ny fo de marary,
F'izay ve no hanimbana ny ho avy ry' se!
Indray mandeha ve no mahatsiaro tsy tiana,
Dia hitanondrika tsy mba ho liana ?
Ny eny antanan'olona aza eritreretina,
Manetsa be mbola ho avy, ndao hiara hietana.
Indra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-hoe-fanaka-malemy | NY HOE FANAKA MALEMY... | RRAG | NY HOE FANAKA MALEMY...
Ny hoe fanaka malemy, tsy entin-kanambany
fa fomba iray noheverina, lanja sy haja omena!
Porofon'ny hasin'ny aina, tsy roa eto aman-tany,
kanefa dia viraina, amin-datsa sesehena...
Ny fanaka malemy, tsy akory hamaivanana
nenti-nanavahana, nampitaha ny hery....
Fa mainka aza tanjaka, azo n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/te-ho-namanao-aho | TE HO NAMANAO AHO! | RRAG | TE HO NAMANAO AHO!
Akory aza raisina, hevitra hafa misy ambadika...
Tsy maninona raha mety, ny lela aleo hivadibadika,
fa tsy ho velively mihitsy, ny fihevitrao no hevitro...
Te ho namanao aho, izay aloha no kinendriko...
Namanao ilay fizara, manaiky hivesatra alahelo...
Namanao ilay mpizara, sanatria tsy hiheloh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tia-hoe-aho-o | TIA HOE AHO O? | RRAG | TIA HOE AHO O?
Ny angolako, ny tsikiko, ny hantako, ny teniko,
samy fanehoana, fitia avy ao anaty!
Kanefa dia fihetsika, namboly irony neniko,
no ninday fanahy, hiesona sy ho faty!
Tia hoe aho o? Fa ahoana no mitia,
no dia raho-mainty no manaloka ny lanitro?
Sa tsy haiko mihitsy? Aoka ho sanatria,
ho zary haizi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/ny-fijerinny-olona | NY FIJERIN'NY OLONA | Nosy Malala | NY FIJERIN'NY OLONA
Ny fijerin'ny olona misy mampihomehy,
Mampamorona ny tsisy na tsy manana aza re!
Ny fijerin'ny olona dia mahagaga mihitsy,
Mbetika mahatezitra, mbetika mampitsiky.
Raha tiany Ianao dokafany, fa ny tsy tiany aloha,
Dia marary fo, raha ankinina aminy izay mahasoa.
Raha sendra mifanena, maha tor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/fotsy-volo | FOTSY VOLO | Nosy Malala | FOTSY VOLO
Tena mihafotsy re ity volo,
Mananika ny dimampolo.
Toy ny vao omaly no tsy tamana,
Raha nasaina naka ny volofotsin'i mama.
Ka handoko sa avela amizao ?
Aleo izay mety amin'ny saina ihany no atao.
Tsy hoe raha tsy mandoko tsy mahakolokolo.
Ny mandoko kosa mbola afaka mamono lolo.
Ilay volofotsy koa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/matetika | MATETIKA... | RRAG | MATETIKA...
Matetika misy hakivia-mandalo,
mialoka an'efitry ny eritreritra...
Ka zary hiran-tsaona no injay voakalo,
mandatsa-tomany mihiboka an'efitra!
Matetika loatra no miandry ny tsy ho avy,
ny fo tena tia nanantena ny ho tiana...
Kanefa ny lazon'irony aviavy,
no injao famantarana ny hakiviana!
Matetika k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fahasoavanao | NY FAHASOAVANAO... | RRAG | NY FAHASOAVANAO...
Tsy haiko zoky tia,
ny fomba handrafetana
ny teny tiana haloaka...
Tsy hoe kosa sanatria,
nananam-piaretana
daholo izay nivoaka!
Fa teo ny naka faka,
teo ny tsy namony...
Nisy naka laka,
dia nisy tsy nitony!
Fa ianao Jesoa,
Tompo sy mpanjaka
no tiako hamafa ireny...
Satria raha ny ao am... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsongoy-fon-tena | TSONGOY FON-TENA... | RRAG | TSONGOY FON-TENA...
Mikiky ianao mandrangotra manitatra ny ratra...
Mikapa sa midaroka amin'ny dona efa mahazatra?
Miantsampy dia manosika azy hianjera an-davaka...
Kanefa isak'alahady ianao toa hoe mivavaka!
Ratrainao ny fony ho hankahalain'ny hafa...
Tapenanao ny vavany tsy hihiaka sy tsy hitafa...
Fatoranao n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/zo...-zo | ZO...! ZO...? | RRAG | ZO...! ZO...?
Ialahy 'nge milaza fa mitaky zo e!
Kanefa mandrava sy mivatravatra!
Fa aiza ny antsika no miasa ny loha,
raha ny mitovy hatrany no tolo-mahazatra?
Hoe: "Omeo izao, ento zaria".
Takiana daholo 'zay takatry ny saina!
Mitaky ny zo sa miady fitia,
no dia mampifila rehefa ilaina?
Ny zo fitaky fa hajao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kajikajy-fotsiny | KAJIKAJY FOTSINY... | RRAG | KAJIKAJY FOTSINY...
Matematika tsy hay isainana,
ny laha-boatendrin'ny kintana ambony.
Kajy an-kandrin'ny onjam-piainana,
ny fisaonana lava tsy mba mampitony.
Gina ny tany, misaona ny fo,
latsa-tomany ny tena fa ory.
Misento ny anaty, saingy vaky ny loha,
fa ity fahoriana tsy ahitana tory...
Lavon'ny sangin'ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-teto-intsony | TSY TETO INTSONY... | RRAG | TSY TETO INTSONY...
Nisy kaikitra nanjary hirifirin'ny eritreritro,
zary diam-bangy maro nitahiry irony lasa!
Narahan-drangotra tsy lefitro!
Dia 'njay nandrava ny kinasa!
Dia mimonomonona ao manantena ny tsy hita!
Sady manimanina eny! Nofinofy tsisy fetra!
Tsy ny trondro no be kiry, fa ny ady no tsy vita!
Dia '... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-ny-raiko | MODELY | Fredy Jaofera | MODELY
Mila ny raiko
sy ny fitiavany
ity foko kely
mbola hibaiko
rehefa tongavany
fa dia modely. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nilaozanao | NILAOZANAO... | RRAG | NILAOZANAO...
Hitsara azy indray 'zao ianao,
ka hanameloka ny fony voaratra.
Dia hilaza fa tsy fanao,
ny voadona amin'ny sedra mahazatra!
Ny fony 'lay voarasarasa,
no mandretoka raiki-tomany!
Fa niveri-nipody ny lasa,
nahatonga azy ho lasa vinany!
Misento no hany azo atao,
rehefa mamery ny ratra...
Indrisy f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-nahay-niaina | TSY NAHAY NIAINA... | RRAG | TSY NAHAY NIAINA...
Ny taona no kely fa resin'ny saina,
ka ny hajejoana no tonga nialoha!
Efa levona ve ny fahaiza-miaina,
ilay nobeazina anao taloha?
Mimaola amin'ny zipo fohy dia fohy!
Akanjo mampidera sakafon-jaza!
Ny fiainan'ny nofo no irina hitohy,
dia rehefa nindona vao injao vaky vava!
Manenina mafy ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sisin-dalana | SISIN-DALANA... | RRAG | SISIN-DALANA...
Iry sisin-dalana iry, ny anay no sekoly,
nianara-namindra hiatrehana fiainana!
Teny tokoa no nisedra ny 'ngoly,
tsy nisy mpijery afa-nitarainana!
Ny karazan-tranga no lesona ianarana!
Na ny adin'alika aza, mba koa, nanatsongana!
Ny arabe mikodana no efitrano fianarana,
teny no nitsiry irony hada... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rovanny | ROVAN'NY... | RRAG | ROVAN'NY...
Ngoly ny aty,
mimaona ny lela!
Ireo andrarezina ve ny hoe maty,
sa resin-tory dia any tavela?
Fa dia nangina ny hira fivetso,
tsy re 'rony sento!
Nihenahena ny tany,
dia 'njao latsa-tomany!
Ry lanitra ambony a!
Nahoana loatra,
no tsy avela hitony,
ny fony mitroatra?
Iza izany no hampahery,
rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/zaza-tiana | ZAZA TIANA | Nosy Malala | ZAZA TIANA
Zaza tiana hono tsy hitsitsiana ratsankazo,
Vao tsy mety ny atao avy hatrany dia mahazo.
Matetika ilay zaza vao maika lasa mafy loha,
Na feno tahotra isanandro noho ilay ratsankazo.
Tsy ratsankazo ihany fa ny ozona, latsa mahavoa,
Fanambaniana, indraindray zakain'ny zaza koa.
Marina aloha fa ny zaza t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misoratra-any-ve | MISORATRA ANY VE? | RRAG | MISORATRA ANY VE?
Tomefy fijaliana ny tany fandalovana,
tokoa moa 'zay ny fiainana!
Rakofam-pahoriana ny embom-pahatsiarovana,
fa iza no hitarainana?
Manaikitra ny lasa, mikiky ny aty fo.
Injao itony ratra, nandrobona nifoha!
Feno alahelo ny fo sy ny ao anaty,
saingy tsy hay fafana!
Misy hombom-pery toa tsy me... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsiky-sy-tomany | TSIKY SY TOMANY | NY HERIMAR | Tsiky sy tomany
Tsy dia afa-misafidy
Fa anakiroa ihany
Mamy sy mangidy
Na tsiky sy tomany.
Na ny omaly na ny anio
Eny na ny mbola ho avy,
Tsy afaka miala amin'io
Na mahia na matavy.
Fa tsiky sy tomany
Eny, mbola ho ireo foana
Mpanalokaloka ny tany,
Mpanindry kibo noana.
Ny tantely sy vahona
Tsiky sy toman... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ialahy | IALAHY...! | RRAG | IALAHY...!
Raha samy kinasa tsy mendrika ho to,
dia 'lay misy ny dia nodiavin'ialahy...
Nametraka fery nomban-dratram-po,
nampitaraina ny aty fanahy...
Tiany tokoa ny amin'ialahy manontolo,
sinaingy toa tsilo nanindrona ny atiny...
Anjara noheveriny tsy afa-nisolo,
kanefa dia dinta nila tsy ho tantiny!
Ialahy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/domoina | DOMOINA... | RRAG | DOMOINA...
Zatra nisidina tan-tratran-dReny,
ka tsofin'ny rivotra vao mikopak'elatra!
Mateti-mangina ka mihindra-mpiteny,
an-tsakeliky ny hafa vao afa-mivelatra!
Tamana mitamby sy mihanta amin-Dada,
ka rehefa miroso dia mitady azy!
Mihevitra foana ho zaza mibada,
ka ny herin'ny hafa no sandry enti-miady!
Sikin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rado-a | RADO A! | RRAG | RADO A!
Feo manga miangolan'ny tahirim-peo,
no reko mangoly ny aty fanahy!
Nitazana ihany aho saingy tsy teo,
fa hay tsangambaton'ny aingam-panahy,
ity sisa reko mivetso 'reo toky!
Eh! Tsiaro sisa ny tahirim-boky!
Ny dinitra irony mieza-mampitraka,
mamerina koa ny fahazazana!
Ny voninkazo adaladala niahy naka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nanda-ho-reny | NANDA HO RENY...! | RRAG | NANDA HO RENY...!
Nifidy ny lohany ka matahotra inona?
Nilakanilaka nidera ho tiana!
Ain-jazakely novidiana ohatrinona?
No dia nalana rehefa tsy nirina!
Manankasina ny aina nalatsa-tsy fidiny!
Fa hoe tsy vonona ny hitaiza sahady!
Na kely sy bitika aza iny, misy vidiny!
Iny akory tsy nahalala izay hoe zava-pady,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fakofakonolona | FAKOFAKON'OLONA...! | RRAG | FAKOFAKON'OLONA...!
Fakofakon'olona lesy fa tsy takatr'ialahy ny fisainany a!
Enjehina mbola mialoha, finganina mainka mitraka!
Ankahalaina mafy nefa, tsy tsapan'ialahy 'zay niainany a!
Darohana mainka mifoha, tsy voasakan'ny sedra mpandràtra!
Ny omaly ny azy efa an'ny lasa, fitaratra sisa no asany!
Ny anio no ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nikitika-ny-fakany | NIKITIKA NY FAKANY... | RRAG | NIKITIKA NY FAKANY...
Sary tontan'ny ela, nisy tsiaro, no navela ho tahiry.
Fitia maina faka, efa lavo, no indro indray naniry!
Rendrika ny sambo, fotoana fohy, rava ny tantara...
Ilay mpanenjika antsika, no tena, mahay azy tsara!
Hainy hatramin'ny miafina, hitany ny tsy hita!
Izy ilay mpahalala, mpahay ny momban... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/azo-raisina-fa | AZO RAISINA FA...! | RRAG | AZO RAISINA FA...!
Tia hono ianao, omeo ny porofo!
Fa raha izaho, akory tsy sotro,
ka mora bataina, sy ho mora zaka!
Tsarovy etoana, irony efa lasa!
Tia ve dia nangarika, niavom-piteny?
Nandongilongy, be koa tamin'ireny!
Mba nitsikiana, dia nanifi-doha...
Loza tokoa raha, toy izany ny am-po!
Aleo ary ekena, na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-fahasambarana | RAHA FAHASAMBARANA... | RRAG | RAHA FAHASAMBARANA...
Ry aiko!
Vao ary ianao dia nisy ozona,
nobabena avy any am-bohoka!
Sombin'ny aiko!
Ireny rehetra 'reny no zary poizina,
asa angamba vidin-trosa a?
Vidin'ota efan-drazana,
fony ary Adama sy Eva!
Sa vidin-dràn'ny tanindrazana,
tanaty tolon-tena 'ngeza?
Vao ary ianao dia indro, latsaka
to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faneva | FANEVA... | RRAG | FANEVA...
Zanako! Moa ve izaho, mba afaka ny hanafatra,
an-tsoratra ho anao?
Fa tsy hisy velively, izany tonga lafatra,
raha mbola mitatao,
lanitra ambony
na koa hosanatriavina, mitafy lonilony,
an-tany fandalovana,
tomefim-pahalovana!
Tsy ho tsiky lava, ny andro izay mivadika!
Na koa ho alahelo!
Eo ny fifal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sadaikatra | SADAIKATRA! | RRAG | SADAIKATRA!
Fa lany lehilahy sa tsy ampy vehivavy,
no dia tokana iny no ifarombahana?
Mitotoa koba raha te hatavy,
fa tsy revo amin'ny fitia izay angalarina!
Ny eny an-tanana moa no tsy meva,
no mikaroka hafa hanaovam-pilana?
Na tamin'ny andron'i Adama sy i Eva
aza ve, dia ho havesatra toy izao ny fahotana?
Sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tapatapakahitra | TAPATAPAK'AHITRA...! | RRAG | TAPATAPAK'AHITRA...!
Nisy tafatafa, nifanaovanay sy Fanja...
I Njaka moa tsy teo fa namita adidy...
Tapatapak'ahitra tsy voalanjalanja,
kanefa iankinam-piainana no sady sarobidy...
''''''Fanja a! I Njaka no hitarainana,
sa moa ianao ihany?
Hoe mafy ity ny fiainana,
ady ny eto an-tany!''''''
"Vao o! Tsy hoe san... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vita-tsisy-pentina | VITA TSISY PENTINA... | RRAG | VITA TSISY PENTINA...
Joro! Aiza ny enti-mody nomena vao omaly?
Moa nahavita ianao o? No toa falifaly,
tsy toy ny isan'andro, fa toa mba miramirana!
Angamba kosa ireny, tsy nisy nanahirana!
"Madama a! Tena vita ny ahy fa ny kahie no hadino!
Tena nampidiriko! Fa toa tsy mampino,
hoe tsy hita tokontaniny, izay met... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitomany-ve | MITOMANY VE? | RRAG | MITOMANY VE?
Etsy mitonia, fafao 'ty ranomaso!
Aoka izay ny sento mandatsaka tomany!
Aleo hisetra any, ny fery mpiankaso!
Aiza no tsy ho lefy io, raha mbola eto an-tany!
Firifiry tamin'ireny no efa nisedra fo,
no dia io no mafy, tsy laitra ny hahifika?
Hamakian-tsaina, hankararian-doha,
toy ny vary feno akofa m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/finoana | FINOANA... | RRAG | FINOANA...
Misy sento tsy voafafan'ny tsikitsiky lavitr'isa!
Misy lasa tsy voavonon'ny fifaliana manapitr'isa!
Tsisy ratra tsy ho voakosoky ny fahavononana hitraka!
Sanatria ny fifaliana, hondesim-pahoria-miampaka!
Sivanin'ny eritreri-tsaina ny fijaliana mianjady!
Rantsanin'ny antsim-panafahana irony lomotry ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aina | AINA... | RRAG | Atolotro ho an'ireo Rasazy rehetra mifofotra mamelona aina sy mizara fifaliana ho an'ireo Reny sy Ray! Arahabaina manokana amin'ilay andro iraisam-pirenena e! Dia mahavita soa hatrany! Ny Tompo no hitahy sy hamaly fitia anareo! Atolotro manokana ho an'i Feno Malala sy i Solo Neliah Rabeariniony
AINA...
Singa miavaka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/irony....ry-neny | IRONY....RY NENY...! | RRAG | IRONY....RY NENY...!
Irony tsiky an'adim-piainana,
fanafina endrika tsy ho hita hoe trotraka!
Irony toman'ny fanaintainana,
an-tsori-tava no minia mirotsaka!
Fa tsy sakana mihitsy tanoloan'i Neny!
Na izy mangina 'lay tsy miteny!
Na izy mitata sy mivazavaza...
Aminy isika dia mbola zaza!
Ilay notrotroiny, ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/saika-reny | SAIKA RENY... | RRAG | SAIKA RENY...
Ianao ilay nikolo naniry ny hitaiza,
saingy nosembanan'ny aloka tsy satry.
Asa Tompo o! Nentinao nankaiza?
'Lay tara-n'ny masoandrony no toa matimaty!
Ny sombintsombin'ny ainy nalavonao tan-dalana!
Navelanao irery tsy hotantanan'ny ainy!
Izay tokoa ve Tompo, no tena fandaharana?
Kanefa e! Mbola ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hiteny-indray-ny-fo | HITENY INDRAY NY FO...! | RRAG | HITENY INDRAY NY FO...!
Sadaikatra ny tena, mihaino itony toky!
Toy ny angano, voarindra anaty boky!
Voatanisa jiaby, hatramin'ny tsy takatra,
ny lanitra ambony, ny volamena an-tatatra!
Omeko anao izao, takariko zaria!
Lazaina mihitsy aza, fa hafa ilay mitia,
rehefa mahay mizara!
Asa a! Inona? Angamba farafara!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vovoka-sisa | VOVOKA SISA... | RRAG | Tsy entina hamoha fota-mandry tsy akory ity tononkalo ity fa ainga toy ny ainga rehetra nanidintsidina teny an'habaky ny nofy fotsiny ihany ny fahatsapana ny alahelon'ireo namoy anaka!
VOVOKA SISA...
Embon-tsy tana ry zanaka tiana,
no misoritra an'endrik'i Dada sy Neny!
Ianao 'lay tan-tratrany, mbola velon-kira,
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kisendram-pitia | KISENDRAM-PITIA... | RRAG | KISENDRAM-PITIA...
Maso nitopy saika nangarika,
nahatazana imaso ny hatsarany,
no babo sy rotiky ny hamanjany!
Sendra fitafy fohy dia voasarika,
nidoboka mafy ny fo ao anaty,
resim-pitia ka toy ny tsy ho faty!
Ilay loha mpilanjona no indro nitodika,
nangala-pijery amin'ny mason'akoho,
satria tokoa efa babo ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsia | TSIA...! | RRAG | TSIA...!
Anaka! I Mama tsy hoe alika ka roahana isan'andro,
vao 'njay mahay misintaka!
Tsy omby ka velesina, ho hila isan'andro
fa tsy mahalala vizaka!
I Mama nofo ihany fa tsy hoe fanahy akory,
ka tsy hahare marary!
Isan'andro vaky izao no tsy mahita tory,
fa saingy, tsy tia anao hijaly!
Ankehitriny kosa aza ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tsy-miasa-feno-lovia | NY TSY MIASA FENO LOVIA | Fredy Jaofera | NY TSY MIASA FENO LOVIA
Ny tsy miasa feno lovia
dia olon'ny fahakamoana
matahotra izany ny hahia,
na azon'ny fanesoesoana.
Ny tsy miasa feno lovia
dia olon'ny tsy fivoarana
mahakelikely itony fitia
ka aoka re tsy ianarana.
Ny tsy miasa feno lovia
dia olon'ny tsy fiadanana,
tsy modely rehefa minia
matory nef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-ani-neny-malala | HO AN'I NENY MALALA | Fredy Jaofera | HO AN'I NENY MALALA
Ho an'i Neny malala
no voaloham-pitiavako,
ilay tsy manan-tsahala
sy anjara fahasoavako.
Ho an'i Neny malala
no anandratako ny Avo
tsy mba hisy hamanala
ny taona fa hampiravo.
Ho an'i Neny malala
no isaorako ny lahatra
fa dia harena mahalala
matoa aho mamahatra.
Ho an'i Neny malala
no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hendry-ny-ray | HENDRY NY RAY | Fredy Jaofera | HENDRY NY RAY
Hendry ny ray
mahalala ny zanany
sy mba mahay
mitondra fiadanany.
Hendry ny ray
mifoha vao maraina
ka lasa indray
ho an'ny sombinaina.
Hendry ny ray
mba tia tokantrano
mampivaivay
ny adidy ka tohano.
Hendry ny ray
miaro ankohonana,
na inona izay
ary dia iombonana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mientana | MIENTANA | Fredy Jaofera | MIENTANA
Mientana ny foko
mijery izato bika
kanto manoloana ;
tsy mba hosodoko
raha toa ka adika
fa tena izy foana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/laoka-tiako | LAOKA TIAKO | Fredy Jaofera | LAOKA TIAKO
Voanjobory
sy henakisoa
no laoka tiako ;
tsy resaka akory
fa dia izay tokoa
ka tsy itsitsiaako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/andramo-aloha-ny-torana- | Andramo aloha ny torana ! | Santatry Ny Omaly | Andramo aloha ny torana !
Dia ho hitanao ny tohiny
Fa raha ny lasa no ho fatorana
Tsy hay izay vodiny sy lohany
Raha ho avy ianao hitolona
Tsy ahoako izay ho vokany
Ny ratsy no hitambolona
Hanabanky izay mba lokany
Fa tsotra ny ahy ny kajy,
Ny kajinao tsy fantatro?
Moa ny foko tsara ho avy
No ho baraingoinao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/ny-foko-no-efa-tia | Ny foko no efa tia | MBL | Tsy hiteny intsony aho
Satria efa fantatrao
Ny tiako ho lazaina.
Tsy hitopy koa
Na hiherika hijery
Izay saikaho kasaina
Tsy hiantso intsony
Ny anaranao
Fandrao vita tsianjery.
Tsy hisaina intsony
Izay mety ho rampitso
Izay tsy mistery.
Tsy hitady intsony
Izay zavatra tsy misy
Ankoatry ny efa aty
Tsotra i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/ramanamalaza | RAMANAMALAZA | MAZ RAMANA | Iry tendron-kazo avo iry, oriory,tazaniko an-tsaina.
Dia mampahatsiaro ahy indraindray ny fijoron-dRamanamalaza!
Misamboaravohara mandihy rehefa mamon'ny rivo-maraina!
Tsy nety afa-po tamin'ny fiainany, dia niondrikondrika lava!
...Ramanamalaza mpanota, maditra, mpandika lalàna
Mpanakorontana lava sy mpitabataba a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/raha-toa | RAHA TOA | AnjaraNivo | RAHA TOA
Ny nofo raha toa tsy mba manana tiana,
Tsy hoe ny fitiavana mbola matory;
Fa kosa misaina sy maminavina
Ny mety ho takaitra sy ho ratran'ny fony.
Ny vava raha toa tsy miloaka fitia,
Tsy moana na menatra hilaza an'izany;
Fa kosa matahotra mafy satria
Ny toky holazainy ka fitaka ihany.
Ny maso raha toa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yromy-ravelo/tsiky-iray | TSIKY IRAY | YRomy RAVELO | ****TSIKY IRAY*****
Ilay tsikiko izay nahalalanao ahy
Izay mitsiry ato am-poko,mamelon’aim-panahy.
Ito tsikiko miteraka fahasorenana ho an’ialahy sy ho anao
Ity tsikiko ity,… ahatsiarovanao ahy hatr’zay,hatram’zao
Ity tsikiko ilay maha te ho tia anareo sy isika.
Ito no mba fananako hifampizarako,
Ety amboni-tany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/le-myosotis/otrikafo | OTRIK'AFO | Le Myosotis | Injao midofadofaka ao
mila hanempotra ny foko,
afo iray tsy mety maty,
otrik'afon'ny fitiako
fe fahiny.
Injao ao anatiko ao
mampidonaka toloko,
toa hiredaka tsy tanty,
nefa tena novonoiko
izy iny.
Noanotofako azy daholo
fony izy hain-trano
ka tsy nahitako tory,
na ny sento aman-taraina
mampanjoko,
nanoto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-aingampanahy | NY AINGAMPANAHY | Fredy Jaofera | NY AINGAMPANAHY
Ny aingampanahy no vahaolana ho azy
tamin'ireny dona ela be noeritreretina,
tsy nitsahatra niteny ahy hoe : fohazy
hivoahan'ny soratra tiany horafetina ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-isika-samy-isika | REHEFA ISIKA SAMY ISIKA | Fredy Jaofera | REHEFA ISIKA SAMY ISIKA
Rehefa isika samy isika
no misaina ny hifamely
dia tsy hisy hanjopiaka
'reo tigetra, na dia kely.
Rehefa isika samy isika
no mikendry hifandrafy
dia manofisa raha adika
ny vinavina 'zay nafafy.
Rehefa isika samy isika
no mitady ny hifamono
dia raketo fa hampipika
fandresena fa tsy ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tantely-afa-drakotra | TANTELY AFA-DRAKOTRA | Fredy Jaofera | TANTELY AFA-DRAKOTRA
Tantely afa-drakotra
'reo harem-bahoaka :
ao anatin'ny sarotra
nefa misy tafavoaka.
Tantely afa-drakotra
ny tanindrazantsika,
misy dia mamarotra
matoa aho masiaka.
Tantely afa-drakotra
'reo mamy sarobidy
nefa tsy mamatotra
na mampangidihidy.
Tantely afa-drakotra
ny zava-tsoa rehetra ;... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.