url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/sary-sisa
Sary sisa
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Sary sisa, mipetraka amin'ny rindrina, Mihantona mangina, manamarika ny fahatsiarovana. Tsy hita intsony ny tarehy feno hasambarana, Fotsy sy mainty, mamelona ny fitiavana. Ny sary teo, nisy tsiky sy fifaliana, Ankehitriny, foana, misy alahelo ao. Ny fotoana lasa, toy ny rivotra manidina, Manjavona, fa ny sary n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/faniriana
FANIRIANA
Fredy Jaofera
FANIRIANA Fantaro, ry tsy foiko, fa marina eto an-tany sy faniriana fatratra : ilay nofidin'ny foko dia ianao irery ihany tena ho eto an-tratra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/andro-mainty
Andro mainty
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Andro mainty, mangina ny tany, Aloka mamoha, mankany amin’ny rivotra. Ny lanitra dia ho maizina sy tany, Mizara fahoriana, mandalo ao an-tsaina. Haizina mifoha, manambina ny fo, Mitondra rikoriko, mankaleo ny saina. Ny fitiavana, toa mbola mitovo, Fony mbola miredareda, manontany aina. Fa tsy ho ela, hisy ho to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/ady-lova
Ady lova
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ny ady lova, ady mifono hatezerana, Mikorontana ny fianakaviana, Mila fandaminana sy fahaiza-manao, Aza avela hitarika ho amin'ny ady lava. Tantara maizina, fitiavana voafetra, Manan-kery ny fahafahana mametra, Kanefa ny ady dia manimba fanahy, Izay no mahatonga ny fianakaviana ho mangidy. Ny lova tsy tokony ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rafahantrana
RAFAHANTRANA
AORN
Mazan-doha rafahantrana ka mitetika hisisika sy hamikitra maharitra dia domboiny izany saiko tsy hikaroka sy hitroatra fa ho rendremana finaritra Na ny ambom-poko aza nojinjainy tsy hankitsitsy mba tsy hiakatra ambony ka ny tena teti-dratsiny dia ny handreraka ny aiko ho tsy afa-miarina intsony Fa tsy izaho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ranomainty-maro
RANOMAINTY MARO
Fredy Jaofera
RANOMAINTY MARO Ranomainty maro no nikoriana vao nisy, fantaro, ny fitoniana. Ranomainty maro no nisosa ery vao, hoe, atsaharo ny jaly hatraty. Ranomainty maro no lasa foana vao mamy, takaro, ny manoloana. Ranomainty maro no mipololotra vao soa afa-niaro ny fitia nizotra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miverina-ihany
MIVERINA IHANY
Fredy Jaofera
MIVERINA IHANY Miverina ihany, tsaroana indray fa tsy hanihany ny ela nampiray. Miverina ihany ny alahelo mafy mitady tomany sy mbola atafy. Miverina ihany ka saro-bonoina ny toky tsy lany sy nohadinoina. Miverina ihany ka mahasariaka, na efa rava any ny fitiavantsika.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/valiha
VALIHA
Fredy Jaofera
VALIHA Valiha no tendrena mora, onjam-pitia fony tanora anio no mipololotra be hafahafa misisika ange... Ianao no mba eritreretiko, rima no mbola rafetiko, alahelo no misy etoana, ny lasa no eto tsaroana. Alakaosy mandrakizay !...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramaminirina-henintsoa-jean-baptiste/fijalianny-fanahy
Fijalian'ny fanahy
RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Ny fanahy mitolona amin'ny rivotra mangina, Manirery, mitady fahendrena, nefa mahita tany mangingina. Fijaly mitranga, mandalo tsy mitsahatra, Mitebiteby ny fo, mitady fanafahana tsy hita mihatra. Fitiavana, aiza ianao? Mbola lavitra ve ny lalàna izay hahita anao? Fanahy mihemotra, mandinika an-dàlana mavo, Raha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/mihodin-dreny
"MIHODIN-DRENY"
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Tsy mba folo taona na dimampolo akory fa fitopolo mihoatra saingy mbola eto ihany, Antitra ilay tany! Ny andron'i NAMPOINA raha hotsaroana etoana! dia tamin'izany isika no An-dala-pandrosoana, Nikatso sa nidona? Maro no efa teto,maro no efa reko! fa raha fambotrina kosa tsy tokony ekeko, Trosa lava izao ve no To...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tonga-dia-azo
TSY TONGA DIA AZO
Fredy Jaofera
TSY TONGA DIA AZO Tsy tonga dia azo ny ela nivavahana fa ny raozy nalazo vao avy nisahana. Tsy tonga dia azo ny zava-nikirizana fa nilaina ny vazo rehefa namizana. Tsy tonga dia azo ny fahombiazana fa niharan'ny tazo vao indro tazana. Tsy tonga dia azo irony fandresena fa nizaka, topazo, vao toa novolen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanjo
NANJO
Fredy Jaofera
NANJO Amin'ny saina mahitsy no ambarako eto izao tsy handreraka ny fo : aza hadinoina mihitsy hoe iza no teo aminao fony sedra no nanjo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/mandrampahoviana
MANDRAMPAHOVIANA
RAVINALA
Mandrampahoviana vao hitsahatra ny sento sy alaheloko, Mandrampahoviana ireo jaly misteriko, Hanjary taram-pahazavana lavitra toloko? Mandrampahoviana ilay tany ngazana sy maina hiofo zaridaina marevaka sy kanto, Hanjary lohataona hiposaka masoandro Himbanjinana ny hoavy mamiratra isanandro, Hisy lokom-bolamena a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/nolalovantsika-ireny
NOLALOVANTSIKA IRENY
RAVINALA
Nolalovantsika ireny, adiady, nifanditra teny ho eny Ranomasoko nipotraka, nampian'ny alahelonao Indreny isika nifamaloka ary saika nifandao. Nolalovantsika ireny, avonavona, saika tsy hifamela tamin'ny fahadisoana kely Ratram-po, alahelo, fahadisoam-panantenana Nanjary tsy nifankalala, tsy nandrenesana korana. N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoariniaina/hafatry-ny-nofy
Hafatry ny nofy
RASOARINIAINA
Hoy izy hoe... Indray andro any tsy maintsy ho avy aho Ho avy amin'ny endrika taram-pazavana Indrindra fa iny rehefa hisandratra aho Ka aza gaga fa izaho ihany ilay taram-pitsikina Aza miteny hoe irery Ary aza mahatsapa hoe mijaly Fa sedra mandalo ihany ireny Ka mila mafy elah raha te ho faly Ary ataovy amin'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiory-kelyh/hafatry-ny-nofy
Hafatry ny nofy
Tsiory kelyh
Hoy izy hoe...?☝️ Indray andro any tsy maintsy ho avy aho? Ho avy amin'ny endrika taram-pazavana☀️ Indrindra fa iny rehefa hisandratra aho?? Ka aza gaga fa izaho ihany ilay taram-pitsikina Aza miteny hoe irery ? Ary aza mahatsapa hoe mijaly ? Fa sedra mandalo ihany ireny? Ka mila mafy elah raha te ho faly? Ary...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/saripika-farany
Saripika farany.
Ikalamako
Misaotra anao, ry Namako* Nandrakitra ho sary, Ny hiaka mba notanako Tam-poko izay narary. Ny maso vonton-drano Nafenina amin'ny tsiky, Tazanao ihany, Nanjary saripika. Izaho tsy reny intsony Anaty fitsaharany, Mandinika azy tony An-torimaso farany. Napetrakao ho ahy Ho tsiaro an'ilay namana, Ny fihin-tan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-ho-to
REHEFA HO TO
Fredy Jaofera
REHEFA HO TO Rehefa ho to ny faniriako dia hanjary lo ireo fijaliako. Rehefa ho to ny fitiavako dia hanan-jo iny vavako. Rehefa ho to ny fitoniana dia hisotro ro izay iniana. Rehefa ho to ny tarigetra dia ho afa-po sy etsetra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fomba-tsara
FOMBA TSARA
Fredy Jaofera
FOMBA TSARA Aza mba tara mikiry raha tsy manavy ka saino fa tsy vazivazy !... Ny fomba tsara haminavinana ny hoavy dia ny famoronana azy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-itiavako-anao
NY ITIAVAKO ANAO
Fredy Jaofera
NY ITIAVAKO ANAO Ny itiavako anao raha ambara kely dia hatramin'izao tsy niova velively. Ny itiavako anao dia iny tsiky tiana manjary manavao ny fo am-pifaliana. Ny itiavako anao dia malala manja tsy mitady raorao, n'aiza re ny kianja. Ny itiavako anao dia fahatsorana tsy mba mandao sy mbola izorana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/voizo-ry-zalahy
Voizo ry zalahy
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Voizo ry zalahy Voizo ry zalahy ny lakantsika Maika ny fotoana Te ho tody izahay, te ho tafita Anatrika ny ampita eo anoloana Voizo ry zalahy ny lakantsika Tsy vitsy koa ireo ho ratovina Raiso ny fivoy, andao hiandriaka Ny elanelan-tany tsy zoviana Voizo ry zalahy ny lakantsika Tody soa eny no tanjona Omany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tsy-vaky-masoandro
Tsy vaky masoandro
Fidy Art Niaina
Toa mila tsy ho tanako intsony, ny fitiavako mila hitroatra. Tsy haiko izay mba any am-pony, f'izaho lasa tia azy loatra. Kanefa tsy mety voalaza, fa fotsiny aho be faniriana; Maniry azy ho vady sahaza, ity foko mitempo mangina. Ekeko, taloha aho naditra, f'izao lasa malemy paika. Ka mitobaka tsy mety ho rit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto/takio
"TAKIO"
Zavona Rakoto
Raha misy zavatrao nalaina tsy amin-drariny! takio fa zonao izany sahia koa manontany raha misy tebiteby mamongatra vinany, Aza avela hisy hanararaotra anao ho hery famolahana! Izay maneritery ny filaminanao? takio ho fahafahana Dia aza koa manaiky raha misy namanao voatainam-pijaliana, Hajoroy fa ra mitovy ny ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-fiverenana
TSY MISY FIVERENANA
Fredy Jaofera
TSY MISY FIVERENANA Tsy misy fiverenana ireny hevitra tapaka fa zary nanorenana asa ilaina hiavaka. Tsy misy fiverenana ny fitia efa mba rava fa tao ny fifantenana vao nisosa mazava. Tsy misy fiverenana ny toky izay nesoina fa be ny fanenenana izay sarotra vonoina. Tsy misy fiverenana ny zavatra niarahana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ireo-nodorana-hatrizay
Ireo nodorana hatrizay
Fidy Art Niaina
O ry lanitra o! Fa inona daholo izao mitranga izao? F'isan'andro vaky, rehefa manaraka vaovao dia may indray, hono, tatsy; ary tena higagana, mandravarava ny afo e! Tsy an-tsaha; tsy an-tanàna. Fa dia iza loatra no tsy vanombanona eto e? Iza no mibaiko hoe "ary ananona areheto!" Vaka ny mpijery; gina ny mpitazana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/ranomasoniza
Ranomason'iza
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Ranomason'iza Ranomaso nifangaro rà No nijohy nanarak'iny vatolampy iorenan'ny mandà fihantana Lobolobo feno tombokavatsa Mameno ireo toerana fitarainana Niontana ny fon'ny sisam-pahafatesana Niforitra ireo bekotro maro holatra Reraka misaina izato fanjanahana an-kolaka feno hafetsena Ataon'ireo vonton'ny solai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-malaina
REHEFA MALAINA
Fredy Jaofera
REHEFA MALAINA Rehefa malaina hotiavina, izay ampitaina, ho lavina. Rehefa malaina hiravo, ny toky be ilaina, handavo. Rehefa malaina ho pika, izay antenaina dia hipika. Rehefa malaina ho soa, vao arahabaina dia ho voa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tontolo-tsisy-boky
NY TONTOLO TSISY BOKY
Fredy Jaofera
NY TONTOLO TSISY BOKY Ny tontolo tsisy boky dia tontolo tsisy toky fa hitombo fahalalana sy fahaizana higagana ny saina amam-panahy, na rahoviana re, ry lahy. Ny tontolo tsisy boky dia tontolo tsisy zoky hitondra itony fiainana ho hafa ny fisainana hampiranga fivoarana misy fahasambarana. Ny tontolo tsisy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/asa-mampahita-angano
ASA MAMPAHITA ANGANO
AORN
Iza moa ireo hitanao mijorojoro an-tsisin-dalana ? Tovovavy maromaro mampidera ny fananana tsara haingo sy fitafy sady tena manimanitra mba hanintona mpandalo izay te hanakatra ny lanitra Raha ny bika no jerena, dia mijadona sy raitra Ao ny mailaka fandeha, ao ny maka toa tsy taitra Raha jerena tomba-maso, dia to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/henoina
HENOINA
Fredy Jaofera
HENOINA Matokia hampirona antsika ka tsara hokoloina, ny poezia dia karama mozika tsy maintsy henoina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-nosy-niaviana
NY NOSY NIAVIANA
Fredy Jaofera
NY NOSY NIAVIANA Ny nosy niaviana dia tsy ikimpiana fa mba ivavahana rehefa nisarahana. Ny nosy niaviana dia tsy hay ariana fa satry hifikirana, na misy halavirana. Ny nosy niaviana dia zavatra tiana fa masina marina, na mitady hivarina. Ny nosy niaviana dia tany itokiiana tsy hay hadinoina sy sarotra s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mikorimba
MIKORIMBA
Fredy Jaofera
MIKORIMBA Na mikorimba fa nety izay natao sy maro ireo kinasa, aza manimba ny andro vaovao mieritreritra ny lasa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/ray-o-mankasitra-anao
Ray o Mankasitra Anao
Frederic Rnf
Ray ô, misaotra tamin'ny nandaharanao ny fiainako. Fa na dia somary mafy sy mangidy aza indraindray, Dia mbola tsy lavo fa afaka mijoro tsara hatramin'izao. Ka indro hijoro tsara hitory ny fahatsaranao lehibe. Ray ô, na dia noesorinao aza ireo izay akaiky ahy, Dia mbola misaotra anao ihany aho fa nahasoa ahy izany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/raha-mbola-velonaina
RAHA MBOLA VELON'AINA
Njakahery ANDRIAMALALA
RAHA MBOLA VELON'AINA, Araraoty ny mitsiky isan'andro isa-maraina, Ndrao dia ho tratran'ny masoandro rehefa mody ka hilentika, Ilay tarehy tena kivy sy ilay miferin'aina, Mizara mba mitsiky, ary tena atao matetika. Fa na misy alahelo izay mandratra ny ao am-po, Io miserana eny ihany fa itsikio aloha ny anio, Moa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/satria-lasa-ianao
SATRIA LASA IANAO
Fredy Jaofera
SATRIA LASA IANAO Satria lasa ianao dia aleoko aloha mangina fa ao anatiko ao, tongavan'alahelo tsy nirina. Satria lasa ianao dia aleoko aloha samirery fa mifamahofaho ny lasantsika izay manery. Satria lasa ianao dia aleoko aloha mandinika fa tsy mba kilalao ny ngeza vita na ny madinika. Satria lasa ianao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/mamy
Mamy
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Mamy tena mamy Tsy misy toy izany Fa ny foko sy ny anao No indro tafaray. Tsapako hatrany Fa foana ireo tomany Fa eo antananao Ny fiainako tontolo. Tsy misy intsony akory Ireo sento mampahory Fa efa iantohanao Ny hoaviko rehetra. Tiako tena tiako Ka indro fa ifaliako Ilay fitiavanao Mahenika ny fiainako....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/takio
"TAKIO"
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Raha misy zavatrao nalaina tsy amin-drariny! takio fa zonao izany sahia koa manontany raha misy tebiteby mamongatra vinany, Aza avela hisy hanararaotra anao ho hery famolahana! Izay maneritery ny filaminanao? takio ho fahafahana Aza koa manaiky raha misy namanao voatainam-pijaliana, Hajoroy fa ra mitovy ny anareo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/midera-anao
Midera anao
Randja
Midera eram-po, eran-tsaina izahay vahoaka madinika faly sy ravo fa mbola velon'aina misaotra anao tsy mba nanifika Midera anao aho amin'ny heriko manontolo n'aiza n'aiza misy ahy mankalaza anao izay nikolo mankasitra anao aho fa voatahy Midera anao aho zanahary fa nitsimbininao izany dia ianao ilay Ray tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiparifary
TSIPARIFARY
Fredy Jaofera
TSIPARIFARY Ny tsiparifary dia mba esory fa tsy manjary sy manorisory. Ny tsiparifary dia aza ekena fa mankarary rehefa jerena. Ny tsiparifary dia efa ihataho fa mampihary bozaka ho lao. Ny tsiparifary dia tsy lalaina fa eto ny vary no tena ilaina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/olontsoa/ireny-zazalahy-ireny
Ireny zazalahy ireny
Olontsoa
Ireny zazalahy ireny, vony hanitry ny ala Natsikafon-drivo-maina eny an-tsefantsefana habaka. Ireny zazalahy ireny, na iriana ho malala Tsy ho avy, tsy ho hita, fa mandre anao mivavaka. Ireny zazalahy ireny, masoandro vao maraina Mitaratra hazavana, mitsilo anao ombieny. Ireny zazalahy ireny... Aina feno aina, A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/vavaka-fitia
VAVAKA FITIA
DADAFARAtolotra
Andriamanitra Mahery, ilay Mpamorona Mpandrindra Tazony anaty tratrako ao , aza avelanao hifindra Mangataka aminao, am-panajana fatratra saloram-pahendrena, Tolory fo mangoraka,tsy tia mieboebo fa mba ho mpanetri-tena Ilay olon-tokako iny ! Maniry fahalafarana handrobona sy hamelana hampavokatra ny tany, Ka hambo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-kivy
TSY KIVY
AORN
Niherina ny taona Fa iny mbola eny mandeha mirenireny Mitondra zaza kely lay tovolahy kaozatina zay miezaka mifantina Ny hanina azo harapaka anaty daba tapaka Lay sisantsisan-daoka Sy ambiny voafoakan' ilay tompon'ny hotely Zay mba mitsetra kely Tarehy voakonkan'andro Sy voritra akanjo No entiny manjeny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/iny-tsikiny-iny
Iny tsikiny iny
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Iny tsikiny iny raha misoritra eny Dia fitaovana ampiasainy hanafenana irony Alahelo mitambesatra anaty fa satriny tsy hiteny Fa sitraniny mangina ao anaty saina tony. Iny tsikiny iny raha jerena tsy misy tsiny Na lazaina fa fiainana milamina Fa fanafody iny izay heveriny Hampitony maika ireo ratra sarotra tazan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-vorona
MISY VORONA
Fredy Jaofera
MISY VORONA Misy vorona sahady mihira vao maraina ka asa raha mitady namana holalaina. Misy vorona sahady mandrava torimaso, miantso eto no sady tsy mba tia andraso. Misy vorona sahady manelingelina ihany fa misidina sy miady manakotaba hatrany. Misy vorona sahady mitondra mba hiasa raha mbola tomady ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-manan-tsahala
TSY MANAN-TSAHALA
Fredy Jaofera
TSY MANAN-TSAHALA Tsy manan-tsahala ny fitiavako anao rehefa tsy mahalala ka indro mihavao. Tsy manan-tsahala ny novolavolaina ka jereo fa tsy miala ny toky izay ilaina. Tsy manan-tsahala ny ainga mirona, na dia be manadala ny mbola milona. Tsy manan-tsahala ny vazo kaloina, ny, hoe, mankahala dia tsy k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto/inay-ianao-mba-havako
"INAY IANAO MBA HAVAKO"
Zavona Rakoto
Mamimamy ery izao raha havanay ianao! Ny antony dia izao: Mba afaka aho matory raha sendra mba hamangy, Tsy mandany fahana na koa hivonto nangy (raha te ka mba hiresaka) Tsara tena tsara hoa raha mpihavana aza isika, Mahazo mivalampatra raha te hifankahita sy mba hitafatafa. Mety hoe hafahafa fa saingy tena mety...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rmlydia/tsy-misy-fahadisoam-panantenana
TSY MISY FAHADISOAM-PANANTENANA
RMLYDIA
Nitototo mafy aho nitady vaha-olana Nilongolongo fona vesaram-pahasosorana Ny saiko nila ho kivy nieritreritra fa hoe Very aho sady irery, tsy mba misy olona nandre! Olona no nantenaiko fa hamaha izato olana Nanantena ihany aho fa ho afa-pahatorana Saingy ny toky fitaka fa ny atao no hita Fa fanantenana pokaty n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/oranandro
ORAN'ANDRO
Fredy Jaofera
ORAN'ANDRO Avy ny oran'andro, any ny masoandro takon-drahona ery ka tsy afa-mankaty. Ny soratra no lasa, ny ainga no miasa fa eto singan-drery be hanina mahery. Mando ny tontolo, tsy tazana daholo ny vorona rehetra hihira sy hitoetra. Malomaloka ihany ka mandefa vinany ; avy foana ny orana ka aleoko hit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fantatry-ny-ray
FANTATRY NY RAY
AORN
Talanjona ny saiko Mandinika misesy Ireto zava-boahary Fa raha ny hita maso dia mampitolagaga Ny asanao Mpahary Fa mainka moa ny tsy hita tsy takatry ny jery Ny akaiky sy ny lavitra Dia misy tena misy Ny anton'ny fisiany FA saingy tsy hita faritra Raha mbola izao tontolo no andramana refesina tsy ho takat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitsangantsanganana
FITSANGANTSANGANANA
Fredy Jaofera
FITSANGANTSANGANANA Tsy atakalo ny ainga maro efa tanana misisika tsy mety lany ; ny tononkalo dia fitsangantsanganana entin'ny soratra hatrany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/jehovah-no
JEHOVAH NO...
Fredy Jaofera
JEHOVAH NO... Jehovah no fahazavako eo amin'izao tontolo izao ka mandeha ny fiderako hitondrany fiainam-bao. Jehovah no famonjeko amin'ny androko rehetra hisehoan'ny fandreseko higagana vao mitoetra. Jehovah no fiarovako azo antoka avy hatrany hanova 'reo nolalovako ho paradiisa eto an-tany. Jehovah no fia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aquarius/inay-ianao-mba-havako
"INAY IANAO MBA HAVAKO"
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Mamimamy ery izao raha havanay ianao! Ny antony dia izao: Mba afaka aho matory raha sendra mba hamangy, Tsy mandany fahana na koa hivonto nangy (raha te ka mba hiresaka) Tsara tena tsara hoa raha mpihavana aza isika, Mahazo mivalampatra raha te hifankahita sy mba hitafatafa. Mety hoe hafahafa fa saingy tena mety...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/misy-miahy
Misy miahy ?
Heriarilala Andriamamonjy
MISY MIAHY Moa mba misy miahy ? Iza no mijery ? Ny mponina eto lahy zatra miady irery kanefa rehefa injay mikasa haneho hevitra, Analakely izay tsy ahafahanao mivezika fa fiarabe am-polony no feno maramara, voasarona ny volony ny basy feno bala. Moa mba misy miahy ? Iza no mijery ? Ny loza eto lahy tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hasarobidy
HASAROBIDY
Fredy Jaofera
HASAROBIDY Ny marina mijoala, n'inona n'inona ny teniny, hoy aho tsy am-pahalainana, izay tsy mahalala ny hasarobidin'ny ny reniny, tsy mahalala ny an'ny fiainana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/penina-zatra-misosa
PENINA ZATRA MISOSA
Fredy Jaofera
PENINA ZATRA MISOSA Penina zatra misosa no tonga manoratra anao mivimbina ainga miavosa fa manina ange tao ho ao. Penina zatra misosa no mitondra fitia lavareny tsy mahalala eso na fosa fa ireo hetaheta ombieny. Penina zatra misosa no manamafy hamamiana raha anio re mbola tontosa ny hafatra iray be fitokian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-kilema
TSY KILEMA
Fredy Jaofera
TSY KILEMA Aoka izao tsy hafangaro ka mba saintsaino kely, aza asiana fandavana : ny fahasarotam-piaro dia tsy kilema velively fa porofom-pitiavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/hiady-isika
Hiady isika
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Tsy maintsy hiady isika, fisika no vahoaka, Raha mbola misy marina kasaina mba ho avoaka Raha mbola misy sento avy ao ampon'ireo vahoaka. Raha misy ny alahelo ferana tsy hitroatra. Andeha hijoro tsika hanohitra an'izany. Raha misy ny tsy rariny mitranga hatrany hatrany, Raha misy tsisy tsiny mirotsaka tomany, Ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tiana
REHEFA TIANA
Fredy Jaofera
REHEFA TIANA Hatramin'izay ny mahaliana azo tonga dia ekena : ny olona iray rehefa tiana, manam-pandresena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ilay
ILAY..
Fredy Jaofera
ILAY... Ilay fitia manambatra antsika, matokia fa izay, mahasariaka. Ilay toky manambatra antsika, mamoky tontolo manjopiaka. Ilay voady manambatra antsika, tsy mitady ranomaso mandriaka. Ilay jaly manambatra antsika, mamaly soa mba hampikiaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-hay-faritana
TSY HAY FARITANA
AORN
Tsy reko ny fidoboky ny fonao tamin'iny Ka aza hasarotina na koa omena tsiny tsy haiko ny mamaky ilay tontalin-kendrikao Hoe volana tomefy sa koa raho-mitatao Tsy azoko an-tsaina ilay fitiavana any anaty Hoe midorehitr'afo sa tsilopy matimaty Tsy sahiko faritana ny fetran'ny toloko Zay any anatinao raha manoloan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eeitreretiko-foana
EEITRERETIKO FOANA
Fredy Jaofera
ERITRERETIKO FOANA Eritreretiko foana ny momba antsika ka tsy hay ahoana fa mitady mozika. Eritreretiko foana ny lasa niarahana ka ny manoloana, be nofy mibahana. Eritreretiko foana ny fitia nozaraina, na dia efa moana, tsy hita antenaina. Eritreretiko foana ny vazivazy maro, toy ny voamboana ny nisy ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nisy-andro
NISY ANDRO
Fredy Jaofera
NISY ANDRO Nisy andro nahavoa nahamoana mihitsy fa ankehitriny moa dia efa sento vitsy. Nisy andro naharesy tsy nahitana havana fa ny tiana no misesy anio sy fahasoavana. Nisy andro nahalena ireto maso lalandava fa izao rehefa jerena, efa maina miran-tava. Nisy andro nahakivy izay tsy afa-natoriana fa iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-voasakana
TSY VOASAKANA
Fredy Jaofera
TSY VOASAKANA Tsy voasakana ny foko hanam-pitiavana rehefa anio tsaroako ka tsy nandavana. Tsy voasakana ny foko hanam-pitokiana, na dia nisy ireo toloko izay nitomaniana. Tsy voasakana ny foko hanam-piravoana, indrindra rehefa inoako fa lavi-pisentoana. Tsy voasakana ny foko hanam-pandresena fa efa ela ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/manaiky-aho
Manaiky aho
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Manaiky aho Ekeko ny hoy eritreritro, Fa noho izaho no mampanjombona anao toy izao; Tsy ho laviko raha ho tanisainao eto, Eny na izao sy izao. Manaiky aho,fa noho ny fisiako, No antom-pahanginanao lalina, Eny efa notadidiako, Ireny teny izay natentina sy navarina Manaiky aho sakaiza a, Na aza tsy andray anjar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanoratana
NY FANORATANA
Fredy Jaofera
NY FANORATANA Indro fafazo mbola hamokatra sy hamiratana : aretina azo avy amin'ny soratra ny fanoratana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hovakina
HOVAKINA
Fredy Jaofera
HOVAKINA Ny soratra, tsy mitady ho hita fa hovakina ; ny ohatra efa maro voapita, mahaliana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/dikasoratra
Dikasoratra
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
DIKASORATRA Poeta dia ilay olona mitafy nofo sy rà, Tsy lafatra akory; Fa hay misy tovon'ny fanahy, Ka afaka mitony. Poeta ilay anjely, Misikina nofo; Heriny ao anatin'ny teny, Ampitafiany loko. Poeta dia mpaminany, Afaka amaly akamantatra tsy takatry ny saina; Izy dia Andriamanitra mpiahy, Afaka mamoha sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/tia-ahy-hono-ise
"TIA AHY HONO ISE"
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Tsy fantatro mazava na marina na tsia fa tia ahy hono ise, izany aloha no re,fa asa koa izay antony nisehoan'izany. Saika aho hanontany,saingy toa sadaikatra raha diso ity vaovao, Fa mantsy tena tiako raha fantatrao mazava f'izaho koa tia anao Tia ahy hono ise,izany izao no resaka ventesin'ny ato an-trano, mihitsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/mamba-noana
MAMBA NOANA
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Mamba noana Hitako ho tsara fianjaika ianao ry zandry Amin'ity moron'ny ny rano filalaovana ; Etsy anefa misy ny efa manasahasa vangy, Miandry faingonao mihantona. Eto misy mamba noana miriaria Mitady izay hororitina; Dia tazàno itsy koa ilay dengin'ny farihy Handetehana haza voasambotra. Iretsy antaranoana mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/tsotra
TSOTRA
RODER
TSOTRA Mifaninona moa izaho sy ianao Fantatro raha ianao hatrizay ka hatrizao Tsotra tokoa ianao azoko izany Tsy mahita akoatranao aho raha eto ihany Fantatro loatra raha ianao Fa mieritreritra aho hoe inona no hatao Tsotra loatra raha ianao iny taminireo Ahoana no handaozako anao toa mitoreo Efa nihevitra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/manina-anao
Manina anao
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Manina anao Raha lavi-tany misy, Ity nandao tsy satry Injay fa mahatadidy Iny làlana tanaty diary Injay fa misonenika ireo tsiaro Mianika hati-doha mangina Manembona tsy miato Manina malala tiana. Rehefa isika iny takariva mena masoandro Nampirampiran-tsoroka teny amorom-parihy Sangisangy teny amoron-drano ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/sombintsombiny
Sombintsombiny
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Sombitsombiny Raha mba fantatrao mantsy Ny tao ambadiky ny tangoron-drahona nanaloka tamin'iny Nisy feo nitomany, niangavy mafy Izay tsy fantrao akory ny fisiany Raha mba tsapanao mantsy Fa rahona mainty no nameno ny lanitra nihilangilana te hiataka Fo voatrobaka antsy, nijaly ary koa niafy Sendra izay kintan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/pejy-vaovao
PEJY VAOVAO
Fredy Jaofera
PEJY VAOVAO Velomy ny nisy, atambaro ho soratra re ka alefao rehefa mitantana ; ny fiainana dia boky maro ka isan'andro dia vaovao ny pejy soratana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/safodrano
SAFODRANO
Fredy Jaofera
SAFODRANO Rehefa tsy niahy an-kitsirano sy lalandava, hanaraka ahy ny safodrano handravarava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ramadanimpahasoavana
RAMADANIMPAHASOAVANA
AbouNusrayni
1.Ry volana tomaratra - mpizara hazavana. Miaramilan’ny Mpahary- fitahiana ho anay. Efa antomotra ny andro - itsidihanao tanàna. Hanomezampitsaharana - ny fo amampanahy. 2.Nirahina ianao - hitaona indray anay hidio Hamerina amin’ laoniny - ny fonay ef’ harafesina. Ny taondasanay tsy mendrika - sy ny ankehitrio. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tafajanona
TAFAJANONA
Fredy Jaofera
TAFAJANONA Aza hadinoina ange fa ny eto fandalovana sy tantara tsy hita isa ; ny fotoana mandeha fa ny fahatsiarovana no tafajanona sisa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-malahelo
MISY MALAHELO
Fredy Jaofera
MISY MALAHELO Mila ho helo ny mitatao sy mifatratra ; misy malahelo mahita anao manan-javatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/aza-hatao-fantany
Aza hatao fantany
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Aza hatao fantany Misaotra fa voaraiko iny valopy nasisikao teo am-baravara-mikatona! Ary efa novinakiko ilay taratasy voasoritra ranomainty; Dia hitako avokoa ny voambaranao, Ka ny ranomasoko no nijohy,nanara-drindrin'ny tavako. Misaotra tamin'ny teny maina, Misaotra koa tamin'ny teny mahery vaika. Toa tsy andr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ry-zanako
RY ZANAKO!
Fidy Art Niaina
Tsy fombako anaka ny manafatra toa izao, f'efa mandindona ahy izany fara-fisentoana. Efa reraka dia reraka ity rainao nefa mbola hitsiky kely noho ianao eo anoloana. Anaka a! Raha ho avy ny andro hialako ety... Meteza ho andry hiankinan'iny reninao iny. Ny rendrarendra sy ny ditra ataovy sanatria; Aza atao mihit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/raiso-indray
RAISO INDRAY
Fidy Art Niaina
Raiso indray ny penina Entinao handahatra ireo teny tsara fantina Sy ny rima tsara rafitra Raiso fa aza afenina Ary kajio mba ho zava-manandanja Tsy mora lefy fa haharitra Ka etsy re lazao Soraty ho fantatray Ny zavanisy teny ho eny Ity ny fela fotsinao Ka andeha soraty indray Mba hamelona ny teny F'ianao p...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/finafako
FINAFAKO
Fidy Art Niaina
Raha nisy teto vony nitsiry Fa sendra latsaka an-tany tsy nahy Tsy norarako fa navelako haniry Saika hokoloiko sy horaisiko ahy Raha nisy teto tafiotra mahery Nijoro foana aho nanohitr'ireny Ralala tsy foiko tsy navelako ho irery Fa notohanako foana ombieny Nefa indrisy... eny, nahoana? Ilay nitokiana no indro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/aza-mandao
AZA MANDAO!
Fidy Art Niaina
Meteza hihaino ahy r'ilay tiako fanaperana! Raiso akia ny tanako! Mijanona! Aza mandao! Eny mantsy akia ry zazavavy iray niserana! Tsy foiko ka iriako ny hijanonanao! Raha handao ahy ianao izao anio izao Dia hisy fahabangana lehibe antiko ao Ka miangavy aho moa e! Aza mandeha malala a! Mitoera e! Mitoera! Mijano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/hanadino-anao
HANADINO ANAO
Fidy Art Niaina
Ny lasa niarahana lala a! Ny diary niaraha-nanoratra Niteraka fery sy olatra Dindona re manadala Ny raozy niaraha-nikolo e! Zaridaina niaraha-nanondraka Indrisy fa maina daholo Maina sy he efa lozotra Ny lala-nizorana niaraka Ny havoana niaraha-nitazana Nangina toa haolo sy ngazana Fa nilaozan'ny fo roa sina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/famoizam-po
FAMOIZAM-PO
Fidy Art Niaina
Tsy mino ny saiko, tsy mino aho r'Iaiko f'ianao ilay lalaiko no lasa nandao fa nahita vaovao, ka nametrapetraka. Mafy fa zakaiko. Tsy kivy; tsy ketraka, mijoro ho lehilahy na dia ory fanahy. Misento mangina fa be fanahiana nilaozan'ny tiana. Injao vonton-tsento sy alahelo, embona sisa no mamelovelo omban...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/an-tany-lavitra
AN-TANY LAVITRA
Fidy Art Niaina
Tsy fanahy iniako ny niampita rano re ry taniko Fa teren'ny zava-misy ka tsy maintsy hoe nandao Mba hampamiratra ny hoavy izay nomaniko Eny, mba hahafahako ihany koa mampandroso anao Aty an-tany lavitra ankehitriny no misy ahy Ka isan'andro vaky izao tsy mitsahatra mahatsiahy Manina an'ilay akany sy ireo havan-ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/antsoy
ANTSOY
Fidy Art Niaina
Antsoy aho amin'ny andro izay tokony hahafatesako ry Raiko izay mpandahatra ny fiainan-javaboary. Ny mba faniriako sy hany ambetin-dresako. Aleo hatory fotsiny aho fa aza atao mararirary! Fa voninkazonao ny ainay zanak'olombelona, Tsy afa-misafidy izahay na ny minitra na ny ora. Ny mba nofinofiko amin'ilay segaon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/mamorona
MAMORONA!
Fidy Art Niaina
Mamorona tsiky anaty alahelo Dia aza, akory, mihevi-tena ny ho singan-drery Ny hakiviana reseo! Aza avela hanjaka! Arodany izay manakana sy izay maneritery Mamorona diavolana amin'ny ali-maizin-kitroka Dia fenoy kintana ny lanitra efa mainty Raha sendra hovitrovitra; tsy hita izay hafitsoka Avondrony avokoa ny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/esona
ESONA
Fidy Art Niaina
Impiry izy nilaza fa hotakariny ny kintana Nampanantena mihitsy fa homeny anao ny volana Tandremo re ry Aiko fa ireny anie ka fintana Mody hanjonony anao ireo karazana voambolana Teny mamy, lokaloka,... voahaingo sarin-teny Tadidio fa tsianjeriny efa pilia vava ireny Lolololo toetra iny, mpanimba vony fanja Mpit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tsy-ianao-irery-no-vehivavy
TSY IANAO IRERY NO VEHIVAVY
Fidy Art Niaina
Tamin'iny andro iny aho toa zary nangaina Fa androany hafaliana no nitsenako ny maraina "Raha iray no tsy tia mitotoa koba hatavy" Fa hay tsy ianao irery no vehivavy "Raha iray no lasa ; ny misisika folo" Vetivety teo ny toeranao dia voasolo K'aza mananten ny mbola hiangavy Efa nifoha ny saiko tsy ianao irery no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tia-izy-fa
TIA IZY FA...
Fidy Art Niaina
Tia izy fa mbola zaza kosa tsy mahay maneho fitiavana Ka aza ialahy sorena raha toa izy tsy mety hifampitantana Na ny hanoroka an'ialahy eny andalambe aza tsy mbola vitany Satria vao ialahy no sipany Tia leitsy izy fa tsy afa-manoatra a! Mbola tsy ampy taona izy ka bedin-dray aman-dreny Raha mametrapetraka izy az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/o-mba-miverena
O MBA MIVERENA!
Fidy Art Niaina
Tiako malalan'ny foko tsy foiko. Namela toloko fa tsy hadinoiko. Mbola manantena ka mba miverena ! Mila anao re ny fiainako sy ilay fisainako tsy mety mino fa hifanadino dia ho rava fitia, miverena modia ! Ekeko efa zatra ity foko maratra voadonam-pitia, fa sanatria ny hamoy fo Miverena ry tiako tsy man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/hatreo-am-para-pofonaiko
HATREO AM-PARA-POFON'AIKO
Fidy Art Niaina
Ny toky nomeko, malala, hajaiko. Ilay voady masina tan'alitara! Ny zioga rehetra, ekeko, zakaiko. Satria ianao no efa anjara. Tiako ianao, vonona aho hiafy. Ho tia anao amin'ny andro rehetra. Hiaretako foana na vono na gafy. Fotsiny aho tia, tsy asiako fepetra. Marary malala ilay hoe manan-drafy. Olombelona ih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/sary-iray-sisa
Sary iray sisa
Herilanja RANDRIAMANGA
Sary iray sisa tavela ato anatin’ny diary Sary iray ataoko fanalana sorisory Fakako herin-tsaina rehefa iny aho sendra marary, Fanembonako anao rehefa izaho hatory. Indray folak’andro somary nisy rahona Ianao naka sary teo andavarangana. Pataloha jeans sy akanjo fohy tanana Manao solomaso, somary mihorirana Lo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/kafara
KAFARA
Fidy Art Niaina
Ny teto efa ela niainana Lala a! ka tsy atoronao izany resa-pitia. Raha anio ianao nihevitra ny hiala; Tsofiko rano hoe soava-dia! Ianao anie ekeko fa maro mpitaty e! Firifiry ny bandy no mikaoty anao? Tandremo fotsiny sao tsy mahatanty; F'ireny tsy mihevitra hampiakatra anao! Ny tovolahy eto anie ka lolo toetr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsara-fa-kely
TSARA FA KELY
Fredy Jaofera
TSARA FA KELY Aza hadinoina velively, na inona efaina amin'izay adidy vaovao, ny eritreritra tsara fa kely rehefa maraina dia manova ny andronao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nofy-iray
NOFY IRAY
Fredy Jaofera
NOFY IRAY Io ny avana, tonga indray, hamafisina ; ny fitiavana no nofy iray tsy nofisina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ry-zazavavy-kanto
RY ZAZAVAVY KANTO
Fidy Art Niaina
Ianao ilay zazavavy nanaitra indray tsy satry ity fitiavako natory. Izaho ilay manavinavy, indraindray mararirary raha tsy jinerinao akory. Izaho ilay mipitrapitra; foana koa mangata-maso rehefa injay ianao ka hitako. Dia avy eo mitsiriritra; te hiantso hoe andraso nefa hatreto aloha tsy vitako. Na ny alina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hazavana
HAZAVANA
Fredy Jaofera
HAZAVANA Ny tsindriana tsy hay fafana sy tsy atao mosalahy : ny hafaliana dia hazavana manazava ny fanahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ho-anikaky
HO AN'IKAKY
Fidy Art Niaina
Ikaky o! Izaho re mba antsoy fa mafy sy mangidy ny zioga izay lanjaiko, dia tsy afa-misafidy fa ny kapoaka izay mangidy no voalahatra ho anjarako. Ikaky o! Alahelo foana no mameno ny tantarako Kanefa he ! Iza no hitsinjo ity taranakao kamboty ? Mpamboly aho r'Ikaky nefa tsy afaka mioty. Alahelo , ranomaso no a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/any-ianao-ry-tiana
Any ianao ry tiana
Vetso mena
Fotoana maromaro izay no lasa Fa tsy mety niala ato an-doha izay kinasa Nitia anao aho ka sarotra Tamiko ny nanadino Na ireny fisarahina ireny aza toa tsy mba nampino Any ianao izay ry tiana, fa mitamberina ato an-doha Te hiantso anao aho hoe miverena fa izany tokoa ve moa ? Ny hany mba ananako sisa dia ireto sar...