url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ireny-ve-no-loha- | IRENY VE NO LOHA ? | Fredy Jaofera | IRENY VE NO LOHA ?
Ireny ve no loha
dia mitady fitiavana ?
Mba mitomboa
raha mbola havana.
Ireny ve no loha
dia mila ny anarako ?
Mba arakao moa
no naneso ny tsarako ?
Ireny ve no loha
dia tokony hohajaina ?
Toa mampandoa
raha vao ao an-tsaina.
Ireny ve no loha
dia tokony hiarahana ?
Ra' tsy inona koa !
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/mba-tianao-ve | MBA TIANAO VE? | RA Freddy Jn | Mba tianao ve raha i Madagasikara,
No hiadana finaritra any aoriana any,
Ka tsy hisy fifandirana ireo zanaka amam-para,
Fa tena hiray hina tsy misy toy izany?
Mba tianao ve raha ny mpitondra Fanjakana,
No lasa hanjakan'ny Fanahin'i Kristy,
Ka tsy hisy intsony ny fanamparam-pahefana,
Fa hirindra sy hizotra tsar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aingampanahy | AINGAMPANAHY | Fredy Jaofera | AINGAMPANAHY
Aingampanahy ny alahelo
monina ombieny ao am-po
misy tomany sy rotsa-delo
vao marary ahy ny manjo.
Aingampanahy ny adiady
tsy nitsahatra foana fahiny
nanidy tokoa ny vavahady
ho tretrika tsy misy tsiny.
Aingampanahy ny malala
mamoha ny fitiavana lava
ho an'ireo izay te hahalala
ny marina ka mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/ny-kalo-tena-kanto | NY KALO TENA KANTO | AnjaraNivo | NY KALO TENA KANTO
Ny kalo tena kanto amin'ny kalokalo maro
Dia ireo izay mitantara ny fahazazànao io,
Mandrakitra an-tadidy ny lasanao nandalo
Fony ianao mpanjakan'ny fisainana madio.
Ny kalo tena kanto tsy izay hiran'alahelo
Mahatonga sentosento sy mamendrofendro lava;
F'ireo izay nahavaky ny fitia tsiambarate... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tia | Tia | lain's rakoto | Tena tiako inao
Tsy Ho ataoko kilalao
Ho tiaviko ato am _poko
Tsy ovaiko tsy Ho soloiko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/fanadinoana | FANADINOANA? | Teboka Telo | Ekeko fa misy ny fanadinoana
foronin'ny saina;
saingy toa tsapako ho sarotra inoana
raha toa ka ny aina:
ila sy tapaka, sombin'ny nofo
no nisy naninda!
Ny holatr'apetrany, ireo no porofon'
ny zava-tsinimba.
Ekeko fa misy ireo taon-dasa
tsy tsaroan'ny fo:
asa natomboka, zava-kinasa,
faniriana tsy to, ...
Sai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/isaky | ISAKY... | Teboka Telo | Isaky ny misy kalo
sy gadon-kira iray mandalo
dia ianao no mitamberina
ao am-poko mitadidy !!!
Isaky ny misy trangan-
Javatra maneho fa banga
Ny fisianao ! dia io ny penina
Manoratra tsy manam-pidy !!!
Isaky ny te handrary
Ny tenontsik’ho lavorary:
Tsaroako ireo izay nanavia
Fanorotoronao hatrany !!!
Tsy ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/moa-ve-misy | Moa ve misy? | NY HERIMAR | Moa ve misy?
Moa ve misy marina tokoa fahasambarana
Miandry ireo lasa folaka an-datony?
Rahoviana no mba hitsahatra izato fiakarana
Izay mihaavo hatrany tsy fantatra antony?
Moa ve mba hisy Koa fahasambarana
Hitsena an'ireo vorona very mpiahy?
Asa aloha fa hatreto dia fahasasarana
no tsapa sy mijapy mandemy fan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/misaotra | MISAOTRA | Ravanondrazana | MISAOTRA
Misaotra aky malala a!
Misaotra anao namaly 'lay hatako ny omaly.
Noraisinao ho matotra nef'aho niadaladala...
Nekenao tsotr'izao, tsy nasinao ady varotra.
Kanefa aoka tsoriko: fa sangy fotsiny iny e!
Ka aza omenao tsiny raha mitokona ny foko.
Mety hoe hadisoako ny hanafina ny marina...
Satria ny naman... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fetinny-reny-andro-lehi | FETIN'NY RENY | Hajanirina Mahavaly | Andro lehibe tokoa
Ity andro anio ity
Atao hoe andro malaza
No sady manan-danja
Fety voatokana
Ho anareo Reny
Ka fiarahabana manokana
No voalohan-teny
Arahabaina ianareo
Ry reny tsy an-kanavaka
koa indro izahay zanakareo
Mitondra sy mahatsiaro am-bavaka
Tolorana firarian-tsoa
Ho tahian'ilay Tsitoha
Ka ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/havia-sy-havanana | HAVIA SY HAVANANA | Fredy Jaofera | HAVIA SY HAVANANA
Jereko havia,
jereko havanana
fa ianao no hitan'ny foko ;
izay no fitia
rako-piadanana
tsy mba natao hiova loko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kintana/ohabolana | OHABOLANA | Kintana | Ny mason'ny olona tia zahazaha,
Fa be randram-bao eto ambonin'ny tany,
Nolalodalovan'ny sasany angaha
No be vetsovetso rahavako izany?
Rehefa tsy tiana, Ralala, dia tsory,
Raha tofoka, hono, tsy fondro na tsiny,
Tsy atao lolom-po enti-maty tsy akory
Satria ny fitiavana, rano an-tsiny.
Tovozin'ny ora, sekondra, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mandroso | TSY HANDROSO | Fredy Jaofera | TSY HANDROSO
Tsy handroso ianao
raha mipetra-potsiny
tsy mahita izay atao
fa vaka ranofotsiny.
Tsy handroso ianao
raha mbola torimaso
no hay hatramin'izao
tsy misy eto andraso.
Tsy handroso ianao
raha ny hakamoana
no sakaiza ka ialao
tsy hisy fandotoana.
Tsy handroso ianao
raha dia tia migoka
sy variana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-tadidy | MISY TADIDY | Fredy Jaofera | MISY TADIDY
Misy tadidy
mamoaka tomany
tsy nofinidy
hizotra eto ihany.
Misy tadidy
mamoha fitserana
tia mandidy
mba haka toerana.
Misy tadidy
tsy levon'ny taona
tonga adidy
zary mampihaona.
Misy tadidy
tsy nirina hitranga
fa dia ngidy
tototra ora banga ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-maintsy-manaiky | TSY MAINTSY MANAIKY | NY HERIMAR | Tsy maintsy manaiky
Izany no sisa azo vetevetesina
Tsy maintsy manaiky
Na ny fo aza mbola harafesina.
Tsy maintsy manaiky
Fa izany, hono, no lahatry ny Avo
Tsy maintsy manaiky
Na mbola tsy niarina aza no lavo.
Tsy maintsy manaiky
Fa tsy misy inona afaka atao
Tsy maintsy manaiky
Na mangirifiry aza ny ao anaty... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiady-teliniaina/fahafahana | FAHAFAHANA | Kiady teliniaina | Herimpon'ny firenena.
Herimpo izay mitondra fandresena.
Herimpo mampanantena.
Herimpo ho an'ny fahaleovantena.
Voazanaka amin'ny endriny vaovao i gasikara.
Voazanak'i ny fitiavantena.
Voazanaky ny hafa ka tsy mahatsiaro ny tantara.
Mbola voazanaka ity firenena.
Ry fahafahana ô!
Mba iza no hatolotrao.
Hanavotr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/baraingo | BARAINGO | Fredy Jaofera | BARAINGO
Baraingo ny hivoarana
raha izao ny tanintsika
fa tsy misy fitsaharana
ny fijafiana raha adika.
Baraingo ny hirosoana
raha tsy misy ala olana
isan'andro hamonoana
ny ratsy raha mivolana.
Baraingo ny hiadanana
raha mifamingan-dava
sy izay no fitantanana
ilainy handravarava !
Baraingo ny hivelarana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/asio-fahanginana | ASIO FAHANGINANA | AnjaraNivo | ASIO FAHANGINANA
Asio fahanginana minitra fohy,
Dinidiniho ny tantaranao lasa,
Saintsaino tsara sy tsakotsakoy dia
hakao traikefa izay lala-nandratra.
Asio eritreritra ny ho avy tsy hita,
Herezo ny saina, mahaiza mandrasa;
Tratraro ny tanjona mbola tsy vita,
Vimbino koa ny anatra nentin'ny lasa.
Dinidiniho fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fitia-diso-fiantefa | FITIA DISO FIANTEFA | Hajanirina Mahavaly | Tao anatin'ny alina mangina
No nanembonako anao ry tiana
Ianao ilay andry nanankinako ny foko
Tiako ianao ,tena tiako sady tsy foiko
Faniriako ianao mba ho ahy irery
Ho ahy ka tsy hitambarako amin'ny hafa
Izaho anefa tsy nasinao jery
Hay ny toerako efa lasan'olon-kafa
Ny saiko toa tsy mety mino
Fa hoe tsy ho a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/ndehana | ''NDEHANA | AnjaraNivo | 'NDEHANA
Raha zaza tsy hanaja ny reny,
'Ndehana hotinaizan'ny ditra;
Ka raha tsy voadona amin'ireny
Dia manàna taranaka hahita.
Raha olon-tsy hanaja ny teny,
Hamono no sady handika;
Havondrony ny entana kely dia
'Ndehana mifindra any ampita.
Raha fisainana sarotra havily
Sy hizotra amin'ny fahadalàna,
'Ndeha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/dia | DIA | Ravanondrazana | DIA
Dia lasa teo ny saiko...
Mandinika ny fiainana, izay efa nosedraiko.
Mandefa ny fisainana dia velovelon-tsento.
Manakatra ny hevitry ny antom-pisiako eto!
Dia manontany tena...
Nahoana aho no hary tamin'izato firenena?
Nahoana mihitsy moa, izaho no Malagasy?
Nahoana koa ny tany no namaritra ny rasy?
Nahoan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ho-ani-dada-malalako | Ho AN'I DADA MALALAKO | NY HERIMAR | Ho an’i DADA MALALAKO,
Dada a
Efa kely ange sisa e,
Taona vitsivitsy de hihaona isika;
Aza mbola lasa aloha
Ny fiainantsika anie tsy ho toy ny taloha e...
Telo taona ange sisa,
De ny fianarako ho vita,
Aza mandeha ho aho
Mifohaza mitalaho…
Dada a,
Hividy fiara ange isika
Hoentintsika sy Neny mandeha mitsang... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/nahoana | NAHOANA | Ravanondrazana | NAHOANA
Nahoana loatra zoky...
No maty mihitsy i neny vao navelanao hiadana?
Maratranao ombieny tamin'ny teny, totohondry!
Manoatra toy ny fasana ny tato an-tranontsika.
Nampiainana ny mafy tamin'ny ditra sy ny sisa;
Nanaovanao ny zavatra, nanimba ny ara-tsainy,
Nandratra ny aty fony, koa nanempoka ny ainy...
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/sambara | SAMBARA | Ravanondrazana | SAMBARA
Sambaro ilay akaniny sy fony manontolony.
Sambara f'efa lavo, ilay izaho natositosiny.
Sambaro ny olon-tiako f'izaho anie nariany,
F'ianao izao no tiany, hanjaka ny tontolony!
Sambara f'efa lasany ny mamy tao anatiko
Hiarahanao sy izy migoka fahasambarana.
Sambara f'efa fantany izay rehetra ratsiko,
F'i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/ampara-taza-maso- | AMPARA-TAZA-MASO ! | MAZ RAMANA | Ampara-taza-maso any ambadiky ny bonga,
Hany sisa misy endrika vinaina ho anao...
Ry tanàna maro loko, fenomanana andro sy alina!
Ry Iarivo rotoroto, fa ialana mahamanina!
Mijoro ho vavolombelona, tsara hivelan-tsihy
'reto taranakao mivoatra fa migoka fahantrana!
Izay voninahitrao dia efa voahosihosy!
Raha nitsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/talaho-farany | TALAHO FARANY | NY HERIMAR | TALAHO FARANY
Ry Ray ao ambony, ankiniko aminao
Izao vahona mitsoniko mamonto izato tavako
Ka miangavy re aho raha azonao atao
Ndeha atonio ny alahelon'ireto havako.
Ekeko ho zakanay matoa zao nisy
Nefa tsy mbola niainako no atomotra loatra;
Mino anefa aho fa homenao tsiky
Ireto fianakaviana nialohavany any an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/tiako-ianao | TIAKO IANAO | RA Freddy Jn | Tiako ianao, nefa tsy iteny izany aho
Fa koboniko ato anaty tsy ho itanao
Satria mety ho sarotra ny valinteninao
Ka aleko hiafina mangina anatiko ao
Tiako ianao saingy tsy omeko mazava
fa aleoko hikimpina na dia tsy hisava
ary tsy hambarako aminao lanadava
Fa any anatiko ao miantsoantso lava
Tiako ianao nefa al... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/ato-no-mandry | ATO NO MANDRY | Jean NARIVONY | Ato no mandry ilay sombin'ny aina,
Raozy nihintsana mbola maraina,
Zaza tsy maoty sy mbola minono,
Hany lalaon'ny reniny hono,
Sady tsy foin'ny dadany indrindra,
Nefa nombotana sady nafindra :
Kintana kely namiratra ray,
Kanjo nilentika mandrakizay.
Ato no mandry ilay zaza tanora,
Henjana nefa nidahoka mora!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/-ry-voana- | Ö RY VOLANA Ö ? | MAZ RAMANA | "...Ö ry volana ô, fa taiza hoaho ianao
...tamin'izaho irery teto ambaravarankely,
Tamin'ny orana nikija, indray harivariva izay?..."
Tany antsefatsefaky ny rahona nisoko aho
...dia natopatopan'ny rivotra nifofo
Nalahelo anao ny foko, fa norohizany aho dia izay!
Niandrandra ianao : sakaiza, namana hanafy lamba,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/silaka-fitiavana | SILAKA FITIAVANA | MAZ RAMANA | Vetsovetso amorom-patana no eto
Orakoran-dranomaso fahavaratra
Akanin-dratrampo ravahantsento
Tsy manan-tsolombolana hitaratra
Bitsibitsika marefo
Feo tsy loaka intsony
Nefa reny mafy loatra...
...ny fidoboky ny fony
Saingy, tsy nisy nandre...
...na dia nila ho vaky.
Antsoantsony mangina
Ampisoronan-kazomaty... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/-ahoana-ry-foko- | " AHOANA RY FOKO ? " | Ny Avana Ramanantoanina | Ahoana, ry foko,
Ny sento miloatra no toa sesilany?
Tsy vitan-toloko
Na efan'ireny ny fiainana an-tany?
Ny maso mijoy...
Mba faohina ihany, tsy mety ho maina,
Tsy mety ho fohy,
Toa eri-dririnina tamy maraina!
Endre!miampanga
Fa mora mivadika ho azy eo foana :
Ny lanitra manga
Tahaka ny andro firavoravoana!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/niandry-anao | NIANDRY ANAO | MAZ RAMANA | Fony izy...tsy nahalala ahy,
Ny androny, tsy mbola androko
Ny fiainany, tsy toy ny ahy
Ny anjarany, tsy mbola fantatro.
Nisy hoavy voasoratra tany
Tsy namela azy hivily làlana
Niainany, nohaniny ihany!
Fa...nanenenany mafy androany!
May izy, ka rovi-damba!
Narehitry ny afobeko
Nozogaiko hazom-pahotana
Nianga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniriantsoa-razakamalala/ny-soratro | NY SORATRO | Faniriantsoa RAZAKAMALALA | NY SORATRO
nambabo anao ny soratro
sy ny asan'ity peniko
ny hafatra natorako
ny hevitra sy teniko
mety nahaliana anao
ny vetso,kalokaloko
nefa raha mba fantatrao
fa ainga mba nandalo
taminao no niantefa
izany sora-tanako
hanakiana ianao ,kanefa...
io no mba ananako
tsy izao tontolo izao
dia ho hitako,avok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/navelanny-olona-teo | NAVELAN'NY OLONA TEO | Fredy Jaofera | NAVELAN'NY OLONA TEO
Navelan'ny olona teo
izy iny fa nanirikiry
ka trotraky ny toreo
namely sy niziriziry.
Navelan'ny olona teo
izy iny fa nanesoeso
ka maina vao babeo
ny vita misy refeso !
Navelan'ny olona teo
izy iny fa namelively
ka fanina be, ry zareo,
toa nahafinaritra kely.
Navelan'ny olona teo
izy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/bandy | BANDY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | BANDY
ialahy ilay bandy
zatra tambitamby
tanilan-dray sy reny
tsy voateniteny
fa notoloran-tsoa
ka dia nanara-po
sy afaka nanao
izay mba tiana atao
ialahy ilay bandy
tia manambitamby
sy tia mikolokolo
ny momba azy manontolo
nitia koa tovovavy
toy ny raozy anaty vazy
kanefa dia voafitaka
no sady voahitsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniriantsoa-razakamalala/eny-ho-aho | ENY HO AHO | Faniriantsoa RAZAKAMALALA | ENY HO AHO
eny ho aho ry sombin'ny aiko
moa mba fantatrao ve?
ny halalin'ny adi-tsaiko
sy ny adim-piainana gejaiko
eny ho aho ry zanako
moa mba fantatrao ve?
f'ianao irery no fananako
sy mba harena izay tsy ananako
eny ho aho ry tena tiako
moa mba fantatrao ve?
fa iaretako ny fijaliako
noho ianao no mba iad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/firy- | FIRY ??? | MAZ RAMANA | Tendrombohitra firifiry izao ireny tazako ireny?
Aiza ho aiza ao ambadik'ireny izao ianao?
Mety mbola hanako any ve ny feoko miteny?
Mbola haratra ve ny fonao raha mitomany aho?
Tsapako ho ora farany iny andro iny
Ora farany hiainana, fa handao anao
Tsy ahita anao intsony aho taona firy?
Toy ny tsy hisy anao int... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniriantsoa-razakamalala/namako | NAMAKO | Faniriantsoa RAZAKAMALALA | NAMAKO
misy vehivavy iray
izay namako efa ela
ka najanoko indray
'lay fitiavako,navela
efa ela izahay no mpinamana
fa tsy nisy resaka fitia
ny olon-tiana tsy mba manana
fa matahotra aho sao"tsia"
te iteny aho"tiako ianao"
ary alaiko ho vadiko
mety ho tezitra ianao
satria zah namana mivadika
k'aleo hijanona... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/amoron-takariva | Amoron-takariva | Antsa tononkalo.R | Amoron-takariva,
Eo amoron-takariva hianao, no misary malahelo
raha mahatsinjo vodilanitra, eny lavitra tazanina
sy manomboka misento, amin'ny fo mamelovelo;
Teraka eo tokoa ny kalo, vetsovetson'olo-manina.
Manimanina ireo dina: ny voangaly ka voangaly,
tamin'ny vola-mahasodoka, izay ninoana fa tsy handao
ilay n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/gasy-aho | GASY AHO? | RA Freddy Jn | Gasy aho, gasy toa an'iza?
Mpitia ny Natiorako sa lay mpaniratsira?
Gasy an-tsaratasy sa Gasy voajanahary?
Mpiaro ny ahy sa Mpanimba voaary?
Gasy aho,,, Gasy manao ahoana?
Mpampianatra ny tsara sa mpiteninteny foana?
Mpandàla fihavanana sa Mpanivahiva ny Namana?
Mpiaro ny zon'ny Hafa sa Mpanao ory hava-manana?
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jasmina-ratsimiseta/-nofiko-hono- | " NOFIKO HONO ! " | Jasmina RATSIMISETA | Ity toerana ity tany be ranomaso
Tsy maintsy tomany ny miaina rehetra
Mitondra mangidy sy anaovany ankaso
Ampidirany sento sy asainy mitsetra (…)
Kinanjo nanonofy aho alina iray
Fa toa misy toerana roa izay voavoatra
Tsy azom-pitserana mandrakizay
Dia ny kibon’Ineny sy Ifasana an-koatra (…)
Dia ny kibon’Ineny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/fanahy-mamolivoly | FANAHY MAMOLIVOLY | Ny Avana Ramanantoanina | Ny saiko re mangoraka,
Tadidiko ny lasana;
Ka lasa miantoraka,
Mahita ny ao am-pasana!
Fanahy mamolivoly-
Mivetsovetso ihany!
Ny foko ngolingoly,
Manonona an'izany!
Ny zoky fanamparana,
Indrisy! fa natelina!
Ny androm-pahasambarana,
Dia lasana nihelina!
Fanahy mamolivoly-
Mivetsovetso ihany!
Ny foko ngoli... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/eisy-e-ry-lala | Eisy e! Ry lala! | Antsa tononkalo.R | Eisy e! ry lala!
Namakivaky ny tantarantsika aho,
rahavako,
dia novakivakian'ny embona
ny foko izay vontom-panala,
ka nitsonika toa patrakala. . .
tandrifin-drahona hoe! -Ny fitiavako,
ary izany angamba ry lala,
ilay rano namonto ny tavako !
Namisavisa ny lasa aho,
re havako,
dia ny saiko no lasa madisa
hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-ani-madagasikara | HO AN'I MADAGASIKARA | Fredy Jaofera | HO AN'I MADAGASIKARA
Ho an'i Madagasikara
ny ranomaso izay mirotsaka
fa tsy mba misy tsara
ho an'ny maro ny miposaka.
Ho an'i Madagasikara
ny alahelo izay mifongatra
fa ady mafy no anjara
tsy mitsahatra mirongatra.
Ho an'i Madagasikara
ny sentosento izay mivoaka
fa olan-dava no tantara
raha mikaikaika ny va... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jasmina-ratsimiseta/-rehefa-maty-aho- | " REHEFA MATY AHO " | Jasmina RATSIMISETA | Raha ho avy, Ralala ny taona hodiako
Ho ambanin'ny tany tsindrian-drangolahy,
Ka ny vato manjary kidoro hatoriako,
Dia izao no zavatra mba ataovinao ahy :
Voleo voninkazo eo ambonin'ny lohako :
Fotsy sy Mavo ary manga sy mena;
Ka avela haniry eo mandra-pifohako
Mba hanofisako ilay fanekena.
Ny "Fotsy" ho marik'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mainty | MAINTY | Ravanondrazana | MAINTY
Ny eto anie, Ravanona!
Rehefa mainty ialahy dia iharam-panavahana,
Mivoatra sy manaraka ny vanin'andro iainana.
Fa simba ny fisainana, madiva ny holomorina
Ny fitsaràna ivelany fanaon'ny fiaraha-monina.
Rehefa mainty ialahy dia voasokajy ho fositra,
Sarangan'olon-dratsy, meloina ho mpamotika.
Tsy mba hat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/sedrao | SEDRAO | AnjaraNivo | SEDRAO
Sedrao dieny mbola tsy zatra hirifiry
Ny nofo 'zay tsapa fa tena malemy!
Fandrao tsy hahatanty, tsy hahovoka firy:
Ny ady hampanaovin'ny fiaina-mahery.
Sedrao hahatakatra ny avo sy iva,
Ny saina tsy mahay ny soa sy ny tsara!
Fandrao hofitahin'ny lainga voarindra,
Ho di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/ho-inoko-moa | HO INOKO MOA | Teboka Telo | Ahoako inona izay fiantrana
Hoentin'hadatsa
Sy hatao laza habobo amin'ny mpiray tanàna?
Raha hoe lany patsa
Sy tsy afa-nidify ny tendrin'ny Avo
Ao an-danitra ambony;
Dia aza mba anaovana tsindrio fa lavo
Ty foko efa tony!
Ho inoko moa zany hoe mba fitserana
Ny rako nandriaka,
Ka entin'hisekosekoan'eny an-toer... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsangambato-soa | TSANGAMBATO SOA | Fredy Jaofera | TSANGAMBATO SOA
Tsangambato soa
no atsangako mangina
hampihaja tokoa
ny tantara nambanina.
Tsangambato soa
no arafitro eto an-tany
tsy hipody indroa
ny alahelo sy tomany.
Tsangambato soa
no ajoroko eto marina
ho faty ny taloha
raha injao amboarina.
Tsangambato soa
no atefy hahafinaritra
ny ora mamoha
hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/manaiky-aho | MANAIKY AHO | RA Freddy Jn | Manaiky aho fa hitia
Sy hanompo an'Andriamanitra,
Hatrety ambonin'ny tany
Eny, ka hatrany an-danitra
Manaiky aho fa hiasa
Hoan'i Madagasikara
Ka hampandroso sy hapiely
Ilay Filazantsara
Manaiky aho fa hijoro
Hoan'ny Namana sy Havana
Ny fanavahana dia horesena
Fa samy olom-pirenena
Izaho kosa ho mahatoky
Sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ndaox/krna-virosy | KORONA VIROSY | Ndaox | Tsy mbola nisy ohatr’ity aretina ity
Aretina malaza sady Fanta-daza
Aretina avy any, an-tsinanana any
Inona ary izany? Hoy ianao manontany
Kôrôna no anarana, iantsoana azy
Tsy midify izy Io, na mahia na matavy
Ny kely maso hono no niletra ramanavy
Ka isiaka mianaka avy no lasa nanavy
Tsy firenena iray, na firen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-aloky-ny-marina | NY ALOKY NY MARINA | Fredy Jaofera | NY ALOKY NY MARINA
Ny aloky ny marina
no io mirangaranga,
tonga eto hamarina
'reo lainga nitranga.
Ny aloky ny marina
no io manarakaraka
fa ilaina amboarina
ny ranobe nararaka.
Ny aloky ny marina
no io manelingelina
hamadika ny harina
ho soa tsy hihelina.
Ny aloky ny marina
no io mandehadeha
fa izay nang... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/tsy-maty-vonoina | TSY MATY VONOINA | RA Freddy Jn | Tsy maty vonoina fa miaina foana
Ny fitiavako anao r'ilay olona iny
Tsy haiko vahana fa mangeja hatrany
Miaka-peo foana tsy mety mangina.
Ezahako atao ny mankahala
Kanefa vao mainka aho mitombo fitia
Efa niezaka hatrany aho ny niala
Kanefa aho nivadika ho adalam-pitia.
Tsy maty vonoina fa zary voasokitra
Anati... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniriantsoa-razakamalala/diso-fiantefa | DISO FIANTEFA | Faniriantsoa RAZAKAMALALA | DISO FIANTEFA
tsy haiko na fitia
mety ho diso fiantefa
fa tena lasa tia
tia anao aho,kanefa
toa efa manan-tompo
nefa dia notiaviko
tsy voatanako ny foko
tia anao aho tsy mba laviko
eny e,tsy olana amiko
raha izay olon-tianao iray
fa ianao 'lay tena mamiko
tiako efa hatramin'izay
efa ela ianao no tiako
fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ndaox/soavaly-vy | SOAVALY VY | Ndaox | Biby hafa kely ny soavaly vy
Mivezika etsy mivezika ery
Tsy manana tongotra atehina an-tany
Fa kodiaran-droa no misosa mankany
Ny kibony mihovitra sady mibetroka
Ny rambony kosa dia mamoaka setroka
Mibetroka nefa toa tsy manam-bava
Ny masony indray… io fa mazava
Taingainan’ny tompony mampalaelo
Tsy mba iray na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ndaox/vahiny-tsy-nampoizina | VAHINY TSY NAMPOIZINA | Ndaox | Misy mandondona ao ambavahady
I rafotsy ve, no niverina sahady?
Sa i pata be no andeha hitaky trosa?
Sa ‘lay mpangata-bola izay marefo sy efa osa ?
Avelako eo ianao ry vary sy ry anana
F’izaho andeha itsangana hamoha varavarana
Akory ny hagagako vao nahita ilay vahiny
Tsy gasy fa vazaha toy ‘reo mpanjanaka fahi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/namako-ianao | NAMAKO IANAO | RA Freddy Jn | Namako ianao r'ilay mpananatra
'zay mpanohan-kevitra sy mpanao fefy ho ahy
Namako ianao r'ilay mpampianatra
Mba halalako ny zava-panahy
Namako ianao r'ilay fahavaloko
Satria iray ihany isika ao @Tompo
K'izany no anton'ity Tononkalo
Ilazako aminao ny ato am-poko
Namako ianao r'ilay olona iny
Na dia vao haingana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/arahabaina-ise | ARAHABAINA ISE | RA Freddy Jn | Arahabaina ise,
Fa nahazo tombon-taona
Mifalia sy miravoa
Ka derao ny Tomposoa
Arahabaina velon'aina,
Sy salama aok'izany,
Ka ifalio ny andronao,
'Zay nandrandraina teto an-tany.
Nitombo iray ny taonanao,
Koa indro atolotro anao,
Tononkalo ho fanomezana,
Izay natao ho iray fehezana.
Koa mirary soa r'ise,
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/zanaka-mpanota | ZANAKA MPANOTA | Ravanondrazana | ZANAKA MPANOTA
Mihorohoro fatratra ny vatanao sakaiza!
Resy moa ka ho aiza?
Ny lanitra lanjaina mirehi-pahatezerana.
Ny tany izay hitoerana,
No fasan-kilevenan'ny ota an-kabibiana.
Mahatonga fahoriana,
Ny aretina mamono mikiky fo sy saina.
Ka indro ianao taraina,
Torovana ka miantso ny Andriananahary:
Mpamonj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-reny-tsy-saroro | NY RENY TSY SARORO | Fredy Jaofera | NY RENY TSY SARORO
Ny reny tsy saroro,
n'aiza n'aiza aleha
fa toky mampijoro
vao kivy eny ange.
Ny reny tsy saroro
raha manam-pitia
fa ilay manorotoro
hahavanona ny dia.
Ny reny tsy saroro
hahapotika ny tena
fa mahay mandoro
ny ratra mahonena.
Ny reny tsy saroro
sy olo-manambany,
harena tsy mikoro
mahar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/mpanenjika | MPANENJIKA | RA Freddy Jn | Maro no kivy nohon'ny nataonareo,
Ka mitaraina lava sy tena leo
Izaho kosa nefa dia faly tokoa
Noho ianareo izay nitondra soa
Ny marina mantsy dia tsy fantatrareo
Fa ny ataonareo dia hanatra ho ahy
F'ianareo dia mpanao fefy ho ahy rahateo
Ka mihatsara ny ho aviko fa tsy mampanahy
Tiako ianareo satria tia ahy
R... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-andrasana | AZA ANDRASANA | NY HERIMAR | Aza andrasana
Aza andrasana rahapitso
Ny tokony ho vita tanterahina anio
Fa Sao mantsy hasiso
Ilay laoka nisasarana nandaniam-boanio.
Vitao anio ihany
Ny mety hotanterahina tsy vita omaly
Fa sao ho tamy
Ny latsan'ny eritreritra hitondra jaly.
Aza miandry fahagagana
Hampiova ny androany anaty nofinofy
Fa raha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mameno | MAMENO | Fredy Jaofera | MAMENO
Rehefa alahelo no mameno
'zany fony hatramin'izay,
ho sarotra aminy ny haheno
ny taraina nahazo anay.
Rehefa alahelo no mameno
'reo ady nampandreraka
mandehana izy moa teneno
fa aty kivy be tanteraka.
Rehefa alahelo no mameno
ito fiainany isan'andro,
rediredy ombieny ny areno
nefa, hono, te hitandro.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/misaotra | MISAOTRA | RA Freddy Jn | Misaotra Anao aho Jesoa
Fa noho ny fitantananao
Dia tonga taona soa
Ity mpanomponao
Na dia mpanota aza aho
Dia notahianao
Ka ankehitriny izao
Ity ny tenako ho Anao
FREDDY JEAN |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maty-ho-azy-moramora | MATY HO AZY MORAMORA | Fredy Jaofera | MATY HO AZY MORAMORA
Maty ho azy moramora
'reo tsy mamaky boky,
na tsy eo migoragora
ny tontolo feno toky.
Maty ho azy moramora
'reo tsy afa-mihirahira,
na mangidy aza ny ora
sy injao mamiravira !
Maty ho azy moramora
'reo tsy tia mihomehy,
na mbola be ny akora
mahamanja ny tarehy.
Maty ho azy moramora
'r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/dingam-pisarahana | DINGAM-PISARAHANA | Ravanondrazana | DINGAM-PISARAHANA
Izao vao tena azoko izay tianao kasaina.
Izao ianao vao sahy mivetso fisarahana?
Tia tokoa ka donto, sy taraiky ara-tsaina,
Hany ka tsy takatro fa misy tsy fitiavana,
Misy ny hevi-dalina ka mody mila vaniny,
Mody ho saro-piaro mba ho fitarihan'ady,
Lasa fahazarana ny tsy fahazoako rariny,
Mazà... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/poeta | POETA | Ravanondrazana | POETA
Indro,
Fa hitan’ny mpahary !
Fa tsara ery ny tany.
Kanto zava-boahary
Sy zava-manan’aina,
Nefa ny olombelona
Tsy manana lazaina
Ny amin’ny hatsaran’
Ireo asa nisasarany…
Izay mba asa-tanany,
Natolony hanjakana,
Hiaina an-kalalahana.
F’injay ny zanahary !
Mahita an-karihary
Ny sasany hafahafa.
Tine... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/noho-ny-amiko | NOHO NY AMIKO | NY HERIMAR | NOHO NY AMIKO...
Noho ny amiko mantsy dia niaritra izy
Nataony toy ny tsisy ny zava-drehetra;
Fa noho ny amiko na mafy na mangidy
Dia niaretany avokoa tsy nasiany fetra.
Noho ny amiko nafoiny ny hasambarany,
Nandeferany avokoa ninoninona nitranga
Ny hahasambatra ahy no tena nisasarany,
Ny fitia izay nomeny tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-nahitako-azy-farany | NY NAHITAKO AZY FARANY! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | NY NAHITAKO AZY FARANY!
angamba,
kisendrasendra fotsiny
isika nifanena
tamin'iny lalana iny
kisendrasendra,
toa nitera-pahatsiarovana
tsy haiko nohadinoina
ny nahitako anao indray niserana
tamin'iny lalana iny
toy ny volamena hita
tsy mba nangalarina
ny nahitako anao!
toa monja fotsiny ihany,
ny masontsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/andry-manify | ANDRY MANIFY | AnjaraNivo | ANDRY MANIFY
Iray ao anatin'ny zato sy arivo
No sisa manaja ny fomba, tantara.
Hany ka lasa tarana-marivo
fisainana no eto dia tsy mba mahalala.
Manosihosy ny foto-piaviana
Ka lasa takaitran'ny nofo aman-tsaina.
Ny angady nananana indray no nariana,
Nasolo fitaovan-tsy fahaiza-miaina.
Dia andry manify malemy f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/te-haheno-anao-fanahy | TE HAHENO ANAO FANAHY | Fredy Jaofera | TE HAHENO ANAO FANAHY
Te haheno anao fanahy
ny fo reraky ny fiainana
fa matetika aho manahy
ka dia lasa ny fisainana.
Te haheno anao fanahy
ny andraikitra isan'andro
fa maniry ny ho voatahy
vao tonga ny masoandro.
Te haheno anao fanahy
ny adidy izay napetraka
ho eny foana mba hiahy
tsy hiaina hetraketraka.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-ny-lolompo | REHEFA NY LOLOMPO | Fredy Jaofera | REHEFA NY LOLOMPO
Rehefa ny lolompo
no velona ao anaty,
tsy afaka hanan-jo
ny tsara ka soraty.
Rehefa ny lolompo
no miasa lalandava,
tsarovy fa tsy ho to
'zay tianao hazava.
Rehefa ny lolompo
no maro sesehena,
ao hatrany fa tsy lo
'zay ady novolena.
Rehefa ny lolompo
no mankarary anao,
aleoko re tamboho
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/nizaka-ratra | NIZAKA RATRA | Zay LAFATRA | NIZAKA RATRA
Vao niandoha ny antsika dia toy ny tsy ho rava.
Mamy toa tantely nampitsiky indray ny tava.
Ilay fitiavana niriako mba hifakatiavatsikaroa
Teo ambonin'ny alitara tsy hisaraka ihany koa.
Mafy ankehitriny fa voadika ilay voady,
ilay teny mamitsika ireny indrisy lasa ady.
Raha nieritreritra kely ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-afa-miaraka | TSY AFA-MIARAKA | Fredy Jaofera | TSY AFA-MIARAKA
Tsy afa-miaraka
ny tsara sy sy ratsy
fa efa mampisaraka
ny vovoka sy vatsy.
Tsy afa-miaraka
ny fosa sy ny dera
fa tsy mandraraka
ny soa ka mitsera.
Tsy afa-miaraka
ny fody sy ny saka
fa mbola arakaraka
vao te hamakafaka.
Tsy afa-miaraka
ny lamba sy ny rano
fa tena hampivaraka
rehefa ela ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/lasa | LASA | RA Freddy Jn | ireo zava-bita hatrizay
navalona daholo
tsy misy tavela na dia iray
fa lasa mololo
lasa daholo ny fahendrena
nomen'ny ntaolo
ka ny faran'ny firenena
dia tanana haolo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soa-toa-fenomanana | SOA TOA FENOMANANA | Fredy Jaofera | SOA TOA FENOMANANA
Soa toa fenomanana
ny mahita anao matory ;
fitia tsy hay nofoanana,
na miredareda te hitory.
Soa toa fenomanana
mampisaina ny tantara
fa nisesy ny fiadanana
raha velona ito anjara.
Soa toa fenomanana
mampifaly kely monja ;
fa reny tiana hotanana
raha misy fo manonja.
Soa toa fenomanana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/eny-ry-zoky | ENY RY ZOKY | AnjaraNivo | ENY RY ZOKY
Eny ry zoky voadona ianao izao
Nasosan'ny fotan'ny fiaina-malama;
Hitako ireny, isaorako anao,
Fa sary manoro ny lalan-kombàna.
Eny misaotra ny fonao voadona
Namela fahaizana hokolokoloiko,
Hahaizako hitandrina sady hanamora
Ny ho avin'ny fiainam-pitiavan'ny foko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/tsingerin-taona | TSINGERIN-TAONA | Ravanondrazana | TSINGERIN-TAONA
Arabaina zandry a !
Anio no mitsingerina ‘lay nilatsahan-tavony.
Ny roa sy roa arivo no indro ianao nirahana,
Ho tonga voninkazo manimanitra mamony.
Mafy ny eto zandry fa mila ianao mitolona,
Mila ianao mitraka, mamakivaky ny olana !
Ny fahantrana kosa ? Niezahanay ho rava.
Niadivanay sy i neny,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mahagaga | MAHAGAGA | Ravanondrazana | MAHAGAGA!
Rehefa
I neny...
no miteny...
tsy ekeny!
tsy vonjeny!
fa jereny!
Eny ho eny...
Fa...
Rehefa
I dada...
no milaza...
na ny zaza...
mihidi-vava!
dia manaja,
làlan-dava! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yromy-ravelo/baraingo-manj | *******Baraingo*****
Manj | YRomy RAVELO | *******Baraingo*****
Manjombona ny andro ny fanahy ratsy
Mandondona ny tsy fahombiazana
Mihanaka ny zotram-pahafatesana
Mahenika ny herin’ny tsy fahatodiavana.
Mila mailo,mila mailo
Tsy fantatra raha ovina vao traingo
Ny fahasambara-kotadiavina.
Fa ny eto hapetrako ny baraingo
Hoe aiza ny lalan-kodiavina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniriantsoa-razakamalala/paradisa | PARADISA | Faniriantsoa RAZAKAMALALA | PARADISA
vetsovetso sisa
no ataoko kilalao
fa mahita paradisa
raha mahita ny endrikao
dia mamisavisa hoe...
tia ahy ve ianao?
zary fahasambarana
sy lasa fifaliako
vao maheno 'lay anarana
anaranao ry tiako
dia etsy mba hafarana
sady anontaniako
paradisa ve ity lalana
izay nosafidiako?
lasa hitako eto
par... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/feonny-manina | FEON'NY MANINA | NY HERIMAR | FEON'NY MANINA
Raha haiko angamba namindra ambony rano,
Tanio ihany aho no nitsidika tany;
Raha elanelan-kely mba vita lomano,
Tonga izao aho dia hamangy ny akany.
Indrisy ravola tsy am-pelantanana
Ka na te hody aza moa mihafy ihany;
Na manina mafy an'reo hava-namana
Tsy afa-manohatra halaviran-tany.
Isan'andr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ranomainty-2 | RANOMAINTY | Fredy Jaofera | RANOMAINTY
Ny ranomainty, ranomaso
mirotsaka ho azy mangina
vao tsaroana ireo an-kaso
mivatsy ahy fangirifiriana.
Ny ranomainty, ranomaso
mipololotra avy ato anaty
mpanapatapaka torimaso,
Ny ranomainty, ranomaso
feno ratra efa hatry ny ela
raha bongo ange ny maso
sy lazaina ho miraiki-dela.
Ny ranomainty, r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/un-beau-jour-un-coup-de | MISY MBOLA MIADY MAFY | MAZ RAMANA | Efa manopy maizina miha mangamanga ny any antokotany
Efa manerikerika manafosafo tava ny lanitra tomany.
Amin'ny enina hariva...
...fahavaratra...
Indreny misy mpiasa hody, f'ity izaho mbola miandry firavana amin'ny valo!
Tsemboka ny hatoko, mitsiriritra foana mahatazana mpandalo...
Vikiviky, sivasiva
...mihazak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/teto | TETO | MAZ RAMANA | Ireo ranomaso nalatsako teto
No mariky ny adiko tsara taloha!
Ho vavolombelon'ny fahareseko.
Ka nandohalihan'ny tongotro roa.
Anjaramalalala RAMANAMANJATO
Nosoratana tamin'ny taona 2010. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/raozy-maina | RAOZY MAINA | MAZ RAMANA | Hanoratra aho androany, ho an'ny ora sy fotoana:
Any ianao ry andro lasa...manampetra.
Hanoratra aho androany ho an'ny lanitra misaona:
Any ianao ry habakabaky ny lasako rehetra.
Hanoratra aho satria, hofohaziko izy ireny.
Any ianao Fitiavana nirehitra tanaty.
Hanoratra aho androany, hanoratra ho anao.
Any ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-aleo-ve-fa-inona-mo | TSY ALEO VE? | NY HERIMAR | TSY ALEO VE?
Fa inona moa no maha samy hafa
Raha ny hahasambatra azy no faniriana?
Tsy ratsy Koa anie raha toa k'any an-kafa
No hampitsiky azy sy ho lavi-pahoriana e!
Tsy ho mora aminao ve ny handry saina
Raha toa ny nofy omaly tanteraka anio?
Tsy aminao fa aminy izy no hitaraina
Rehefa tamy ny onja sy oran-tad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teninny-foko | TENIN'NY FOKO | Fredy Jaofera | TENIN'NY FOKO
Ny ranomaso no tenin'ny foko
rehefa mavesatra 'reo alahelo
mamely tampoka vao misoko
ka indraindray mirotsa-delo.
Ny ranomaso no tenin'ny foko
rehefa miverina ny tany aloha
tomefy adiady mbola tsy zoko
nandreraka ho azy sy nahavoa.
Ny ranomaso no tenin'ny foko
rehefa mihorohoro 'lay tantara
miv... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mifona | MIFONA | Ravanondrazana | MIFONA
Neny a!
Hifonako ny omaly...
Raha nanoka-bava
Nikiry ny hanazava.
Meloka aho namaly,
Mafy loha sy saina
Dia tsy te ho bedy.
Kirizako holazaina,
Ny hevitra mba mety
Fiarovan-tena ho ahy.
Nihevitra ho marina
Dia tsy niahiahy
Niaka-peo ho farina.
Hay nandratra anao
Ireo zavatra niseho,
Fantatro vao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/ny-fitsarako | Ny Fitsarako | MAZ RAMANA | Misy zavatra tsy fantatro, kanefa azoko antoka…
…fa feno ato anatiko, tsy foiko sady tandriko,
…tsy ho fatin’izan’iza.
Ka na mbola vitsy aza ny zavatra mba takatro,
…ny fiainako, ny fandreseko…tsy niankina amin’ny vintana…
…fa nisy efa nanoratra.
Ny vatana mitady : fialan-tsasatra isan'andro
Satria miha-mavesatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirihaja/fitiavana-dia | Fitiavana dia | Nirihaja | Mihira ny foko.
Ny hiran'ny foko?!
kalo fivetson'ny tia tsy mety miofo;
Kalo mangina naafitry ny ela;
ny amparahatoka,
Kalo fivetson'ny tia sady sahy,
Fitiavana zaza tsy hay ho tanana;
Fitiavana dia;
Tsy irony fiotazan"irony mpijirika
fitia an-tendron'ny molotra, faly ny hahazo,
Fa
Fitiavan'ankizy tsy hay ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/hoy-ny-adala | HOY NY ADALA | MAZ RAMANA | Mampalahelo,
Raha trano efa rava
...no dorana indray!
Saino daholo,
Ataovy izay mety,
...f'izaho tsy mahay!
Resy ny tena!
Ny teny nomena
...dia entiko ho ahy
Angamba tsy takatro,
Tsy ho fahazarako,
...ny anjaranao!
Taon'aloka maro,
Tsy nahavaly
...ny fanontaniana!
Ianao tsy nahalala,
Fa amin'ny Adala,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/manantena | MANANTENA | Ravanondrazana | MANANTENA
Raha mbola tsy ritra ny ranon'i Alaotra;
Raha masina fomba sy sompitra-vary;
Alaotra mangoro tsy maintsy mivoatra.
Raha mbola milatsaka ihany ny orana;
Raha misy tso-drivotra omen-janahary;
Tsy ho ripak'izany ny rasy olombelona.
Raha mbola hoe misy ny andro sy alina;
Raha misy fihodinana afaka handami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/ho-ani-zanako | HO AN'I ZANAKO | Ravanondrazana | HO AN'I ZANAKO
Matoa aho mikiry: mianatra hatrany!
Hamaly babena ny Ray aman-dReny.
Hisedra ny mafy sy fiainana an-tany,
Hanomana hoavy, inty voa novoleny.
Ho lasa sarotiny, hitsimbina ny aina.
Hitsinjo sahady ny dimby sy farako.
Ireo no handova sy sisa hantenaina,
Hiaro izay vita ka hanohy ny làlako...
Matoa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/simba | SIMBA | MAZ RAMANA | Tsy mety hafapo ny tanako mikiry, hanoratra ho an'iza?
Mangina ny tontolo, maizina ny tany, tafodina impiry?
...F'izaho dia eto ihany!
Mandinika ny kasa, mamongatra ny lasa...tsy mety mahatadidy!
Tsy mahatsiaro intsony ny fomba naniriako, sy tiako nitondrana...
...ny fiainako ankehitriny! Fony aho tsy nanatsiny!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/tsy-laniko | TSY LANIKO | MAZ RAMANA | Aza avoaka intsony ny lamba nanafiako tamin'ny orana nifafy!
Aza avela hahatsiaro izay tsara rehetra vitako ny fonao efa mafy!
Izaho no mpivahiny, ka angamba efa ela no niandrasany ny toerany!
Nobodoiko ho tokatranoko ilay efa ela no tokony nazerany!
Aza averimberina fa efa diso fantatro ny ratsy aty amiko!
Aoka m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/mangidy | MANGIDY | MAZ RAMANA | Ririnina ny andro...manaintaina sady mangirifirin'ny hatsiaka ny atidohako sy ny
vanintaolako mikatrokatro....mahia aho...kely foana ny tsy hitovizako amin'ireny ahitra
atsipitsipin'ny tsy misy ireny, amin'ity tongotro mamikiviky efa mila tsy ho tsapako intsony ny
fikasohany amin'ny tany, impolo kely izy no tafintoh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/sigara | SIGARA | Ravanondrazana | SIGARA
Mafy lehiretsy ny fankam-panahy
fa mbola mahery kokoa ny sigara.
Taonjato maro no efa hampanahy
raha io no lovan'ny dimby sy fara.
Na ny olo-masina tratran'ny vokany,
samy nifoka ny setroka havoakany.
na tsy ninihina, raha ny eto an-tany,
tsy afaka miala amin'ny setrok'izany.
Izy ilay fototra mampifandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mirindra-ny-tontolo | TSY MIRINDRA NY TONTOLO | Fredy Jaofera | TSY MIRINDRA NY TONTOLO
Tsy mirindra ny tontolo
rehefa tsy ampiarahana,
na satry aza hikolokolo
ny voady nivavahana.
Tsy mirindra ny tontolo
rehefa tsy mitovy saina,
na samy manana daholo
ny soa fa tsy zaraina !
Tsy mirindra ny tontolo
rehefa tsy miombim-po,
na tanjona zary bontolo
ny hamboly fitia tena to.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/voady-vaovao | VOADY VAOVAO | MAZ RAMANA | Anio,
Anio dia miverina ho tiako noho ianao...
...ny taratasy sy ny penina
Niverina satria, fantatro sy tsapako...
...ny soratra mamatotra ny tongotra aman-tanako...
...tsy ho afaka aminao!
Dia izao no voatsikaritro :
Namerina aho namaky ireo soratro tavela,
...nitampify ampo ianao, saingy takona...
...efa ela... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.