url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/nitsara-aho-
NITSARA AHO !!!
MAZ RAMANA
Ny fahazazako, dia lany nitadiavako... ...fitiavana ho an'ny tenako, sy fiadanam-po. Nefa ireo safidim-poko, novidiako fiadanana ? ...fotoana fohy ihany, dia nivarina ho tsiniko. Nanozona ny ho avy. Ny foko raha nangoraka an'izao tontolo izao : ...ka tezitra sy avy nanakiana fahatany ? Natahotra aho...sady nalahelo ny hiafarany. Dia noheveriko f'izaho no tena matihanina... ...na mety mpaminany!!! Ny fahatanorako, sy ireo hadalana... ...manolatra ato antsaiko. Dia lany nitsarako ny hadisoan'ny hafa Sy niezahako nampisy ireo angano mamy... ...nampitserana ny lohako, nosandohako ho anjara... Tia niteniteny aho, toy ny adala mikotaba. Nihevitra ny tenako ho mpitarika amin'ny tsara... ...sy mba nisy hilavana azy. Hay ny olona efa lanaky ny hehy mijery ahy. Hay izany kay ny fiainana : samy manana ny tsarany !!! Izay fahorian'olona nandalo teo imasoko... ...dia nitomaniako, fa neveriko ho avy amiko... ...noraisiko ho ahy. Eh! Izao aho mangina, manitsy tena irery... ...fa tsy manana mpananatra...tsy olo-manandanja. Anjaramalala Ramanamanjato // Fizarana faharoa (Ny Fitsaràko)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/aza-miandry-ho-masina
Aza miandry ho masina!
DotMG
Ianao ve hiandry ho voky, vao 'ndeha hitady kaly, (*) Na hiandry ny ho salama, vao hiditra hopitaly? Ianao ve hiandry hadio, vao vonona hisasa Sa hiandry ho be karama, vao 'ndeha hikarok'asa? Nahoana kosa kay, ny resa-pivavahana, No angatahana andro, ilànao maka bahana? Aza miandry hariva vao handondòna lanitra, Fa dieny mbola antoandro, henoy re Andriamanitra. Tsy ianao efa madio no ilainy sy tadiaviny F'ianao mbola masiso, no antsoiny mba hotiaviny Kilioban'olo-marina angaha ny any am-piangonana, Fa tsy an'ny miaiky ho diso, manatitra fifonana? Tsy iandrasam-piovana ny hiverina ao am-bala Fa saino tamin'ny nody, ilay iraikalahy adala : Voaray an-kafaliana, nanaovam-panasana, Tsy niantsoan-drainy tody, voavela fahotana. Ity tononkalo ity, 'zay vakianao anio Dia antson'Andriamanitra ka saino, tadidio : Tongava any am-piangonana, eny, isan'alahady! Raha te handova lanitra, dia io no vavahady. Meteza hovokisana, ny fo, fanahy sy saina Meteza hositranina, ka hovelomin'aina Meteza ianao hodiovina amin'ny fotaka mandrevo Dia hiasa ho an'ny Tompo, hanompo fa tsy andevo. (*) kaly : aingibolanjatovo, midika hoe sakafo, hanina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/oroka-voalohany
OROKA VOALOHANY
Ravanondrazana
OROKA VOALOHANY Maniditsidina tsy haiko hoe nahoana? Toa mitsingevana hatrany ny tenako. Izay mba tsapaina dia rivotra: foana! Mahagonina saina, ny feo mba reako. Mampangorintsina mafy ny hatsiaka. Miakatra tampoka koa ny hafanàna; Manara-pigadon'ny onja masiaka... Manala hetaheta ny tsy ampy filàna. Manaitra, mamoha ny mbola matory, No sady mamboly ilay voa ato anaty. Mahatonga fitsiry haharitra hamony, Mampisy fitiavana mandra-pahafaty. Sahalan'ny miaina tontolo hafahafa. Manadina ihany: 'ndrao efa fanahy? Sa mbola mikimpy mamafa ny lasa? Sa misy eritreritra mety hampanahy? Fa mamiko loatra ny tsapako izany; Foana tanteraka izay ao an-dohako. Ny azo lazaina: tsy ambonin'ny tany, Moa ve ankoatra ity làlan-kizorako? Fa tampoka teo dia nisokatra mora ny maso ka indro ilay silam-panahy: "Vehivavy voalohany niraisako rora" Nanaiky am-pitiavana hanoroka ahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandeha-daholo
MANDEHA DAHOLO
Fredy Jaofera
MANDEHA DAHOLO Mandeha daholo ny zava-drehetra raha velom-bolo ny dina mitoetra. Mandeha daholo ny asa mahaliana raha hita bontolo ny fitia notakina. Mandeha daholo ny hira mahafaly raha vao tontolo tsy tia ny omaly. Mandeha daholo ny deran'ny Avo raha vao nisolo ny ora nandavo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahafinaritra-ny-tany
MAHAFINARITRA NY TANY
Fredy Jaofera
MAHAFINARITRA NY TANY Mahafinaritra ny tany nodiovin'ny fitiavana fa na ny mpanambany, manetry tena goavana. Mahafinaritra ny tany tsy itoeram-pialonana fa rindra tsy hita lany tsy mba hay takonana. Mahafinaritra ny tany tsy mivoy ny disadisa fa mamy ery ny akany toy ny misy paradisa. Mahafinaritra ny tany miaina fahamarinana fa na tsy mpaminany, mitaky fanambinana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/tsy-vanona-ianao
TSY VANONA IANAO
Ravanondrazana
Tsy vanona ianao! Tsy vanona satria, nosomparanao ny fony. Nataonao mihitsy, ny nahababo ny fanahiny tanaty finamanana... Fantatrao izy iny, tsy mba manan'olon-tiana; Ka niantsampitsampy ilay fitia tsy fanahiniana. Ratsy saina ianao e! Satria niandrasanao ho latsa-paka ny fitiavany. Ny hamboraka rahateo tsy nananany finiavana. Tantara vao niatomboka no efa hainao tsara, Sy arakao sahady ireo, mba teny tiany ambara, Dia nolalaovina izy... Omaly ianareo niaraka, tsy toy ny mahazatra. Tsy aiko aloha ny resaka, izay vitanareo tany. Fa angamba kosa ianao no fototra nandratra. Ny alina izy mantsy no, nanomboka tomany, Hatramin'izao tolefika, ao an'efitranony ao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abel-andriarimalala/lainga
Lainga
Abel Andriarimalala
Ireny voady natao ireny Dia teny. Teny ihany, ka tsy ho ela Dia ho tavela. Ka ny hany mba hiangana, Hitsangana Dia fanaovam-bazivazy No sisa hahatsiarovana azy. Mahatalanjona ahy anefa Fa efa Fantatry ny saiko Sy haiko Ny maha-lainga ireny teni- nao ireny, Kanefa kosa re nahoana No mbola iniako inoana foana ? Tsy maninona ! Lazao Izay teny mamy fantatrao Fa handrotsirotsy ahy. Na ho lainga aza izany, Mitenena amiko ihany : Fantatro aho fa hanahy. Raha ho avy ny fetr’andro Ka hirodana avokoa Izay najoronao nandainga, Lainga hafa no hanamando Sy hampionona ‘lay fo Nopotehinao toa bainga !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-madio-no-lotoina
NY MADIO NO LOTOINA
Fredy Jaofera
NY MADIO NO LOTOINA Ny madio no lotoina amin'ny ranom-potaka : vao miteny dia disoina sy andefasana hotaka ! Ny madio no lotoina amin'ny andro iainany sy mbola hay pepoina fa kanto ny fisainany. Ny madio no lotoina amin'ny fomba rehetra fa sarotra hotompoina rehefa iny tsara toetra. Ny madio no lotoina amin'ny asa isasarany, kendrena hovonoina hatramin'ity anarany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fandalovana
FANDALOVANA
Hajanirina Mahavaly
Mpivahiny izaho sy ianao Eto amin'izao tontolo izao Koa samia mandini-tena Fa ny tany tsy hipetrahana ela Mandalo izao fiainana izao Manaova soa sy ny tsara Raha mbola misy azo hatao Mba hiadanana any am-para 'Ndao hifamela sy hifankatia Dieny mbola an-dalana ny dia Fa ny tanjontsika rahatrizay Handova ny tranon'ny Ray Miverena ao amin'i Jesoa Kristy F'aza variana amin'ny fiainana etỳ Fa ao aminy no misy ny soa Izay tsy manam-paharoa Anio dieny ny anio tapaho ny hevitrao Mibebaha , hiala amin'ny ratsy fanao Indro ny Tompo manatsotra ny tànany Efa vonona Izy handray anao ho zanany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-zoky-sy-ny-zandry
ZOKY SY ZANDRY
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Tsaroana eto ianao ry zoky; tsaroana koa ianao ry zandry. Iray tampo nifampatoky, niara-tsy tafandry mandry. Ampolo taona no niarahana, teo anivon'ny ray aman-dreny. Fifankatiavana no nibahana; tsy hohadino mihitsy ireny. Niara-nihafy taona maro; lavi-dray aman-dreny. niara-niezaka tagnamaro; nifankahery, nifampiteny. Niara-nianatra, niari-tory; niara-nifoha ny maraina. Niara-niatrika ny sorisory, niara-niezaka tsy nitaraina. Noho ny Tompo samy tafita, samy manana ny toerany avy. Azo lazaina samy nahavita; voninahitry ny mpianakavy. Ankehitriny efa nisy lasa, any amin'ny varo-tsy mifody. Na dia maro ireo kinasa, lany ireo vato natora-pody. Sambatra ny mpiray tampo, mifampijery, mifanohana. Samy manana hambom-po, ary lavitra ny fifandonana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tapitra-ny-fanantenana
REHEFA TAPITRA NY FANANTENANA
Fredy Jaofera
REHEFA TAPITRA NY FANANTENANA Rehefa tapitra ny fanantenana dia hanomboka ny fitomaniana hipatrapatraka mila hafampana, n'aiza n'aiza no mba hatoriana. Rehefa tafitra ny fanantenana dia hanomboka ny fahaverezana, resaka ho azy toa mora hofafana 'reo ezaka maro izay nikelezana. Rehefa tapitra ny fanantenana dia hanomboka ny hamaizinana hanarona ange tsy hay horarana 'rony sedra tsy tsara hiankinana. Rehefa tapitra ny fanantenana dia hanomboka ny fahafatesana, toerana hafa no hatao fanjakana ary hovana re izay fandrefesana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/diso-safidy
DISO SAFIDY
Ravanondrazana
DISO SAFIDY Rehefa tsy tiany, lazainy tsy anjarany... Na dia misisika hatrany amin'ny farany. Tsy mbola fotoana hoy izy ka aoka Samy mba hiandry fitiavana hipoaka. Fa io tonga foana n'oviana n'oviana Na dia mifitsaka eny am-pandriana. Mazàna ny bandy no mpamoha fitia, Hinoana sy ekena fa teo ny fitiavana. Anjaran'ny sipa no "hanaiky" na "tsia" Mifidy ny tiany tazomina ho namana. Maro tokoa no voa mafy noho izany Misy ny sasany: latsa-tomany! Misy ihany koa no misotro, mifoka; Mamono eritreritra anatin'ny loka. Mahita an'izany indray ny vehivavy: "Soa ihany ny tena nanilika an'azy". Kanefa nahoana ny olona sasany? Na dia maditra fa hendry no lasany. Misy mitady an'ny mahery setra, Ireo botoboto sy miavaka toetra. Hiaretana foana ny tiana ho anjara, Lahatry ny avo ka mety mahatsara. Dia manaiky mora ny zava-midona, Raisina ho sedra dia mora mifona... Ny fiainana anefa no lasa mangidy Raha vao voalohany no diso safidy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-demokrasia
RAHA DEMOKRASIA
Fredy Jaofera
RAHA DEMOKRASIA Raha demokrasia no amoaha-miaramila ny seza, matokia, mbola hitsingilahila ! Raha demokrasia no fanapoaham-basy, ataoko fa minia ny hamono Malagasy. Raha demokrasia no fisamboran'olona ; vetivety dia hania fa tsy izay no tolona. Raha demokrasia no fanampenam-bava, mbola hampahia ny misy ka handrava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/malala-a
MALALA A!
Ravanondrazana
MALALA A! Mba etsy kely ange... Matetika ianao mantsy, manontany foana hoe: "Inona mihitsy ary no, mahatonga anao tia ahy? dia satria nahoana...?" Ho valiako androany raha izay no mampiahiahy Ampio ry fanahy mba, hamantatra ny am-poko izay zava-misy marina, sy ireo tianao fantarina. Ka aleo tonga dia tsoriko, fa tiako ianao satria, ianao ilay hany tokana, nahatazona ny tanako. Raha saika hivarilavo andranom-piainana maria, dia tsy nekenao mihitsy, fa nahitsinao ny lalako, tampotampoka iny dia, izay lalanao no alehako izay tianao no tiako... Kisendrasendra angamba, hoy isika samy gaga. Ianao ilay nofinidy, irery tiako ianao satria, voababonao daholo: fo sy saina amam-panahy. Teo koa no nahatsapako, hay mahery ny fitia, zary eny mampilefitra, ny ambompon-dehilahy. Ny toetranao sariaka, sy tsotra, vonton'anatra; Ny endrikao koa kanto e! ny bika tonga lafatra. K'aoka averiko ihany, fa tena tiako ianao, mihoatra izao tontolo izao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fivavaky-ny-mino
NY VAVAKY NY MINO
Fredy Jaofera
NY VAVAKY NY MINO Ny vavaky ny mino dia tsy ho very maina ; miasa eto ka halalino fa mba azo antenaina. Ny vavaky ny mino dia ren'Andriamanitra ; manova ka hamasino hisosa any an-danitra. Ny vavaky ny mino dia feno fanandratana mankalaza ka banjino ho saotra mivantana. Ny vavaky ny mino dia mitory famonjena mahagaga ka vimbino fa izay no fandresena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/izaho-tsy-iza-akory
IZAHO TSY IZA AKORY
AnjaraNivo
IZAHO TSY IZA AKORY Izaho tsy iza akory Fa singa mpampifaly amin'ny andro mampahory, Mpandrotsirotsy mavana ny fonao mba ho tony. Izaho tsy iza akory Fa afo mpanafana ny nofo mora ngoly, Mpandravona saritaka tsy hisian'ny lonilony. Izaho tsy iza akory Fa angatra voairaky ny nofo efa matory, Mpikalo ny hatsaràn'irony voary maitso irony. Izaho tsy iza akory F'ilay mora voababon'ny "tsy fantatra any am-pony", Sodokam-pahamendrehan'ny fitsimoky ny vony. Ka moa ianao toa ahy?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nitomany
NITOMANY
Fredy Jaofera
NITOMANY Andro maro no nitomany ny foko kely ratsy anjara tsy mba nisy mpanontany na nijerijery sao tsy tsara. Vola-maro no nitomany ny tontolon'ny voariko, na kanto foana hatrany sy nanova ny harariko. Taona maro no nitomany ny ainga nohamaivanina nahavonto ery ny tany vao embona sy hanina. Ratra maro no nitomany rehefa ory teny tampoka ; nisinda avy ny hanihany fa nijaly ka dia niantoka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/reny-iray
RENY IRAY
Fredy Jaofera
RENY IRAY Reny iray no nananana nefa lasa any an-koatra tsy dia hay nosakanana ka mahavaka eto loatra. Reny iray no nananana ka ketraka tampoka teo fa dia tsy azo notanana nampiranga 'rony toreo. Reny iray no nananana ka very ireo hantahanta niavian'itony fiadanana tsy natao mantamanta. Reny iray no nananana ka diso fitiavana izany, lasa ilay fenomanana mpanilo lava ny tany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/eny-an-tsandrinolon-kafa-no-nahasambatra-ilay-tiako
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKO
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKO Taloha zaho naniry anao mba hizarako ilay fitia Tsy nahataitra anao satria ve zaho mbola nahia Ankehitriny hary elatra aho manana ny ampy Izay ianao vao taitra namaly ny appel-ko Indrisy efa liste noir ny numéro anao Naniry aho tamin’ireny, mba ho raisinao ny antsoko Sonner libre, messagerie vocal no hany mba namaly Tamin’ny face book no niresahantsika farany Dia noblokenao no-supprime-nao ny anarako Ekeko fa tsy maty am-po ny fitiavako anao Na izy solonao aza mahalala fa mbola tena tiako ianao Tsy misy mihitsy fitiavana ka tsy mandratra fo Fa ny aloky ny tsiaro manarak’eny foana Mandra-maty enao milanja areti-po Tsy mifidy ora tsy mametra koa fotoana Ataoko ahoana moa fa : ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/antsonny-nosy
ANTSON'NY NOSY
Fredy Jaofera
ANTSON'NY NOSY Antson'ny nosy no mampisosa ny penina fa mikororosy satria ao ny be marenina. Antson'ny nosy no mampisento mangina fa voahosihosy hatramin'ireo manan-jina. Antson'ny nosy no anaovana andraikitra na 'lay lakolosy maneno fa asa raikitra. Antson'ny nosy no iantsorohana adidy raha mitositosy sy toy izany 'ty safidy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/maniry-volana
MANIRY VOLANA
NY HERIMAR
MANIRY VOLANA Ny anjara tokoa mety ho voatendry, Saingy ny safidy manamafy ny lahatra; Na iza na iza voalaza ho olon-kendry, Rehefa sendra vato tsy maintsy mitsahatra. Tsy misy zazakely in-droa main-dabozia, Raha izany no manin-telo, tangeno odiloha; Raha ianao vonon-kiady sy vonon-kitadia, Aza miandry kananavo handeha hifoha. Fa izay irin'ny fo tsy voatery ho tsara koa, Ny safidinao tsy mianteha-amin'ny hafa; Ny voatsinampy aza indraindray tsy mamoa, Ny ho avy no banjino, hadinoy re ny lasa. 00:33' Fès
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mangina
MANGINA
Ravanondrazana
MANGINA Mangina ry boto nilaozan-tsakaiza, Ianao na maditra tsy afa-mankaiza. Miseho be saina kanefa mangaina, Sendra voadona dia velon-taraina. Mangina f'izany no atao hoe "fitia": Mahavita manetry ny hajan'ny tena. Heverinao fingana hisompatra dia, Kanefa ny toetra no mila hotefena. Mba saino monja hoe firy moa izay, Ireo sipa rehetra voatety hatrizay... Voaratra izy nefa modiana tsy hita Tsarovy: "manody ny ratsy efa vita". Mangina dia aoka hanova tantara, Meteza mijoro sy hamadika pejy... Ny taranaka afara, no efa hitsara, Avy eo hankatahaka zavatra "mety". Ianao te hiova sy hanitsy ny làlana Fa efa nanarin'ny donam-pitiavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/iny-vehivavy-iny
INY VEHIVAVY INY!
MAZ RAMANA
Efa namboly FO toy ny vony izay maniry... ...eny antokotanim-pasana iny vehivavy iny. Tsy nitsahatra nandavaka ny lomotra ao ampony, ...namongatra nanaikitra ny felany ny tsiny! Nanaratsy azy matetika Ny ankabeazan'ny olona mandalo, ...rikoriko amin'ny fihaviany. Nahay izy raha resy, ny niondrika nihetry! Fa ny ampitso iny mitraka, rehefa sitrana ny ratra! Dia mamonkina indray izay fara-hery efa nangoniny! Tsy namirapiratra izy, fa ny tsilony nandratra... ...izay rehetra nahavita nandraraka ny voniny. Izay manantona azy, izay tsy nitari-dositra... ...nidahoka! Natahotra ny marina koboniny! Fa mangoraka mahantra na tsy manana omena... Mivavaka isan'andro iny, miantso fahonena... ...ireo tsy manan-kialofana nitovitovy taminy! Mpivahiny foana iny, mpanompo antanin'olona! Nalaza mpihavonavona manahaka ny taniny! Nisy saina ihany, fa nahay nandefitra nihatsaravelatsihy! Nosaromany herikerika sy tsemboky ny fiainana, ...ny ranomasokeliny taty aoriana. ...rehefa avy reraka nananika nandady iry havoana iry! Ngolingolim-pihafiana! Niandry izay ho "sedrany manaraka indray" ...izato maso mitsipalotra amin'ny fomba hendratrendratra! Ny azy dia mazava : folaka izy ankehitriny. Nasiaka fa tsy lolo!Nahantra fa tsy vendrana! Zakany ny anjarany!Tsy resy, tsy nangina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/peratra-safidy-2012
PERATRA…
RRAG
Iny “souvenir”, tsiaron’ny alitara! Ny foko velon-kira, nahita ilay anjara, te mba hika mafy, haneho ny hafaliana. Satria ianao mantsy, ilay tena olon-tiana! Iny “souvenir” fitsiaro irony lasa! Dingana mamaritra, mandrefy lanjan-kasa, peratra varahina, saingy volamena. Raha ny tena lanjany, no ‘ndeha hojerena! Iny fahatsiarovana, fatotr’aina roa! Tady famatorana, manambatra ny fo, mety ratsy tefy, tsy toy ny an’ny hafa. Saingy, iny peratra iny, no endriky ny lasa! Iny fahatsiarovana, fato-po miray! Tsy mety hovahàna, na dia mandrakizay, fa entina any am-pasana, ny hasina lanjainy. Tsy vao intsony izy iny, fa efa toa tranainy! Iny no tsiahy, tsy matin-taona maro! Iny peratra iny, tsy hananan’olo-maro, sady misy lanja, noho ny an’ny hafa. Iny peratra iny, no hany tsy nandràtra, ny foko mbola mino!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mamiko-ihany-safidy-2012
MAMIKO IHANY…
RRAG
Mamiko ihany nefa, miahotra ny foko! Satriny hilefa, mba tsy hanan-tompo! Mamiko f’indrisy, ny foko tsy hanantena! Ianao toy ny tsy misy, fototry ny faharesena! Nambabo ny foko, nandefy ny saiko! Mamiko ihany fa, ny fotony tsy haiko! Saingy ny fantatro, ianao tian’ny foko! Afo efa mandoro, fa tsy mba novonoiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ramanantena-safidy-2012
RAMANANTENA…
RRAG
Nofy ny anao ry zanaky ny alina, fa raha ny fananako, tsy ariako aminao. Ianao dia ho fatin’ny hatsiaka misasak’alina, handeha re mba mody, vonjeo ny tranonao! Ramanantena toa efa mba tamy, hisafo mangina ny ranomasonao! Dia izy mihitsy no hamafa tomany, antsoy izy, raha sitrakao. Nofy ny anao ry zanaky ny haizina! Ny toetrako angamba tsy ho zakanao! Fa raha vaky trano no mety ho famaizana, ireo olon-kafa tsy niraharaha anao, dia izaho kosa manameloka izany! Fa ny fandeferana no hampilamina ny tany! Ramanantena toa efa mba vonona, hanala anao anatin’ny haizina! Nefa ianao miolonolona, dia naleony ny lahatra no nitondra famaizana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/m-safidy-2012
M…………!
RRAG
Voadona ny ao am-po, marary ny ao anaty! Satriko ianao, raozy tsy ho faty! Mandoro ny afon-dasa, mamery ny adin-tsaina! Ny omaly no nifafa, fa ny anio, mbola toa taraina! Maràtra ny fitiavana, rava ny finoana! Isika tsy afaka hihavana, anaty fo misaona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-nofinofy-safidy-2012
RAHA… NOFINOFY!
RRAG
RAHA… NOFINOFY! (SAFIDY: 2012) Raha ny fo no avela hiteny, dia tapenana ny vava, ka ireny lasa ireny, sisa tsiahy ny efa rava. Saingy mbola azo atao, ny mampitsiry azy ireny, dia hovoleko izaho sy ianao, hatramin’ireo teny, toky maro vita, tanaty nofinofy! Raha ny tsiny no tsy misy, dia ny lanitra no tany, nefa saingy ao indrisy, no mety hitoetra ny tomany. Na ho safidy ny lahatra, ka tsy hisy izany tendry! Ary ny anjara tsy handravaka, fa hanimba izay mba kely, narafi-po mifankatia, miaina anaty nofinofy! Raha ny tody no hazera, dia tsy ho zakan’ny aina akory! Dia eo ny fanerena, hahatonga fo iray ho ory, sasa-miandry manantena, nofinofim-po sahirana! Ka ho maizina eo ny andro, fa tsy hahita mba mangirana, ny fo mitoetra, milasy anaty nofinofy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/satriko-safidy-2012
SATRIKO…
RRAG
Raha mba omen-tsafidy, ny hitady filasiana, dia ny hany sarobidy, ny anilanao ry tiana! Ka satriko ny ho eo, eo akaikinao, ny foko sahy haneho, hoe: “Tena tiany ianao!” Raha mba omena zo, tsy asian-tsakantsakana, dia haneho ny fo, fa ianao ‘lay tena namana, tsy mba niravi-tanana, nizoga vesa-po! ny akinim-piadanana, no naorintsika roa! Raha tsy tapenam-bava, hilaza izay mba tiana, ireo be fanantena! Dia ho toy ny akanin-jaza, maro faniriana, no foto-pandresena, anatin’ny fitia, ‘lay tokana fizara! Nefa sanatria, ny hoe: “Vitsy mpahalala!” Raha ny tena satriko, dia tsy hisy fo tomany, tsy hisy rà mandriaka, tsy hisy fo hijaly! Ary koa ny lasiko, ho lavitra izany, sady tsy hangatsiaka, no tontolo falifaly. Satriko dia satriko, ny zo sy ny safidy, hiray faniriana! Satriko dia satriko, izy samy izy, ho lavi-panahiana! Satriko, eny! Satriko dia satriko, tsy hotampenam-bava, tsy avela hitomany, tsy hisy zaha-tava, ny fiainana eto an-tany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/safidy-safidy-2012
SAFIDY…
RRAG
Fony ianao tsy fantatra, tsy hita ho antsoina, dia efa tian’ny foko, tsy foiny hosoloina, na dia tsy voavoatra, tsy mbola vita rafitra, nahandry anao ny foko, nahavita ny niaritra! Safidy ianao, fa tsy an-tery, tsy novozonana holanjaina, fa sedra iray mahery, fa zary hantahanta, tsy lefin’ny feriko, ‘lay fahazazanao, nitambatra ho tsianjeriko! Safidy ianao, safidin-dRay sy Reny! Safidy ianao, fa tsy ditra teny ho eny, ka rariny raha taho, mihazona ny ravina! Safidy ianao, satria nahay nandravona! Foiny ianao zaza, nibadabada lela, nanohina ny foko, raha ‘reny sendra hianjera, dia notatazako, notantanako hamindra! Tsy ho ela angamba ireny, dia lova tsy mifindra, entinao miampita, manovo fahalalana, entinao mandositra, ‘zay fofon’hadalana! Safidy ianao, safidy sarobidy indrindra! Ianao ilay fanilo, nahafahana nandrindra, nahafaha-nampitony, ny fo efa manolatra, nahafahana nangina, nampikombona molotra! Raha sendra fahoriana, sedra iray tsy zaka, dia ianao ilay safidy, no hany nampitraka. nanarina ny fo, hahay hisedra ny adiny! Nanohana ny saina, hanohitra ny fadiny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-dia-safidy-2012
NA DIA…!
RRAG
Tsy misoritra amin’ny teny, na mifamatotra amin’ny soratra, ireo lasa, misitery, ràtra entim-po mangoraka! Tsy voafaritra nialoha, na voafatran’ireo toky, ny tena alalin’ny fo, ‘lay voavetso anaty boky! Na dia izany kosa aza, misy fetra toy ny aina, toy ny sento efa ho lava, toy ny fakan’ny taraina, ny tahiry mitoetra, mampanembona ny vita. Ilay tanaty setrasetra, sy ny finga-mbola tsy hita!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/diary-safidy-2012
DIARY…
RRAG
Indraindray ianao mandinika, ireny lasanao ireny, ny am-ponao mibitsika, ireo diary toa miteny, miangavy hanova pejy, hanadino ny tantara, mba hiaiky izay ho tendry, ary hiazona ‘zay tsara. Navadibadika ny kasa, hitamberina eto anio, iny ilay diarin-dasa, tahiry sisan’ny tadio! Tsy ho voafafa intsony anio!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/r.r.a.g-safidy-2012
R.R.A.G…
RRAG
Raha meva toa anjely, ny endriky ny zanako! Raozy afa-jery, no haingon-davarangako! Azoko handravonana, ny safidy hananako! Gadra mba ho hahafahako, hanolotra ny tanako! Raha sento sy tomany, no eny an-tavanao! Rivotra mandalo iny, fa tsy hitoetra ao! Afaka hatrany, ho toham-pandrosoana! Gejan’ny omaly io, nahoana no tsy hovonoina? Raha fifalian-dava, no mitoetra eny an’endriny! Rafitra simenitra, no fototry ny kinendriny! Angamba azo atao, ny manosika ny hafa! Gisa sy akoho ve moa, dia hifanatsafa?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jamba-ny-maso-safidy-2012
JAMBA NY MASO…
RRAG
Ny bika aman’endrika, meva sady kanto, no tsapam-po nandrendrika, nanova ny ranto, nahajamba ny maso, nampitondra ankaso! Ny toky fitapitaka, fanaon’olo… adala, miary marim-pisaka, nafenina tsy ho lala, nanampina ny maso, tsy hijerena irony lasa, fitia niahy natsatso, sisa no nivala, namefy tsy niala! Jamba ny maso, tsy hoe tsy mahita, fa tsy te hijery. Ny fidodon’ny ankaso, mamela hiady irery. Kanefa tsy hantenaina olona hanampy, na dia hitaraina, fa noana ka ho faty! Jamba ny maso, ninia-notapenana. Toa ny andrasoandraso, fo mampitondra faisana. Fa eo ianao, tsy misy mpampiampita, na dia mitalaho, dia tsy hisy izay hahita!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-fitia-tsy-hisy-mpandray-safidy-2012
RAHA MBOLA FITIA TSY HISY MPANDRAY
RRAG
RAHA MBOLA FITIA TSY HISY MPANDRAY (SAFIDY: 2012) Nafafy ny voa, tsy nisy ny naniry. Navoly ny fo, fa tsy mba nitsiry. Hatraiza anefa, ny fanantenana? Toa toy ny nofy, ka maty tanteraka, ilay hazavana, nama-mpitosy! Raha mbola fitia, tsy misy mpandray, dia aleo very dia, doroy any ho may. Aleo entin’onja, handevim-panantenana! Aleo izy am-ponja, raha mbola hadalana! Raha mbola fitia, tsy misy fo mandray, dia totofy tany, ho mandrakizay. Hilevin-tsy hipotra, handràtra fon’ny hafa. Ny diany tavela, ataovy tsara fafa. Niandrasana namelana, ny raozy f’indrisy, na ny raviny aza, toa mbola tsy misy. Rahoviana anefa, no tanteraka ny nofiny? Fa lefon’entiny ihany, ny rotsirotsiny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-toa-safidy-2012
RAHA TOA…
RRAG
Raha toa omena lanja, ny toky efa vita, dia mety tsy hisy angamba, hamerana ny ditra. Fa avy hatrany aho, hamarana ny lasa, mba tsy noho ianao, dia hihombo indray ny ràtra. Ka raha mbola misy any, afaka mizara, dia iangaviako hatrany, ny am-ponao ry malala. Hamenoako banga, tsy feno tamin’ny lasako, handevenako ny antsanga, fototry ny ràtrako. Raha toa asian-kasina, ny voady efa natao, dia tsy hisy angamba, ola-mpiankaso mety hitatao, hitondra ranomaso, handrakotra ny tava, hanarona indray, ‘zay hany mba mazava. Raha toa asian-kaja, ny fo izay miteny, maneho ‘zay tena lanja, enti-misitery, anatin’ny fitia, mampihavan’olon-droa! Dia mba tsarovy ity, fa ho sambatra ny fo! Ho rava ireo sakana, nihazona tsy hiroso! Ho tototra ny lasana, ilay nisafotofoto, tsy hita fiaingana, tsy hanam-piafarana! Ka ho andro tsara, no hiandohan’ity tantara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/avy-aminao-daholo
AVY AMINAO DAHOLO…
RRAG
AVY AMINAO DAHOLO… Tomefy adin-tsaina, tsy haiko famafana, ny atin’ity foko, ry Raiko tsara indrindra! Rera-mitaraina, mihibo-pahajambana, ny tenako sy ny aiko, ka ialako tsiny indrindra! Ny tananao ry Tompo, no tohana iandrasako, sy tady hisintona ahy, tsy hianjera an-dava-dalina! Ny vavaky ny mpino, no tosiky ny kasako, sy mpiambina ny efitro, isaky ny alina! Raha ny herim-batako, moa hahavita inona, eo anoloan’ny sedra, tsy takotro takarina? Ny saiko sy ny foko aza, ity mbola tsy vonona, ka moa sahy hilaza, fa manana ny marina a? Izay dianao no tiako, diavin’ity tongotro! Izay teninao no iriko, ho ren’ireto sofiko! Ny anaranao ry Ray ô! No tiako tsy hiala am-bavako! Ny lalanao mihitsy, no iriko mba ho lalako! Fa hery toa inona, no afaka hitondra, ‘ty saiko mbola revo, an-kianjam-pahaverezana? Fery toa akory, no fetra faran’ny onja, ahafahana mitraka, tsy ho ho resim-panenenana? Moa tsy izay anao oh? Ilay tsy hay faritana, nefa tena ‘ngeza, tsy sarotra takarina! Tompo ô! Avy aminao daholo ny hery, ny vintana sy ny anjara ary koa ny lahatra, fa tsy amboarimboarina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiany-ianao-safidy-2012
TIANY IANAO…
RRAG
Tiany ianao fa saingy, mbola toa tsy sahiny! Tiany ianao fa saingy, mbola ahiahiny! Sao ianao hivadika, hiova lasy vao, ka hanindrona azy ambadika, hanery ny fony hitalaho! Tiany ianao fa saingy, ny hitia anao tsy sahiny! Tiany ianao fa saingy, miahotra ny fanahiny! Menatra ny hanipy resaka, sy hitafa aminao, ka ny hany ataony, dia ny mitazana toy izao! Tiany ianao fa saingy, olon-kafa no eny an-tratrany! Tiany ianao fa saingy, efa rakitry ny lasany! Efa sisan’ny tantarany, tsy azony hampodiana intsony, na tiany aza ianao dia naleony, ny fony no natony! Na hatamberina hiverina, na hogaina hankarenina, dia ianao, no aloka ny lasany, ilay namela rako-pery! Nefa tiany ianao, ny namoy anao no nenina mandrakotra ny sainy, tiany ianao, fa saingy misitery!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indraindray-safidy-2012
INDRAINDRAY!
RRAG
Valin’ireo firarian-tsoa nataon’ireo tapaka sy namana tamin’ny fitsingerenan’ny taona nahaterahako! Tsaroako ireny saingy indrisy, nofiko ihany toy ny lasa. Nitady aho fa toa tsy nisy, toy ny irony efa nahazatra. Raha holaviko ny tolotra, moa hahazo aho vaovao? Nefa eto koa ny molotra, te mba hisaotra anao. Firariana ireny ka horaisiko, dia aoka hivaly soa ny soa. Ka ny omaly tsy ho ankasoko, hikiry indray handràtra fo. Dia mba tongàva eny amin'ny avo, amin'ny tosi-tena manokana. Tandremo nefa sao dia lavo, fa mety tsy hisy fo hangoraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tano-fa-voady-safidy-2012
TANO FA VOADY…
RRAG
Atolotra manokana ho an’i Fidelys & i Noly. Avy amin’ny mpikamban’ny “Club UNESCO-FTMM Moramanga” rehetra. Ny Tompo anie hitahy sy hiaro ny tokan-tranonareo! Dia ho fifaliana ny anio, ary ho fahasoavana ny andro sisa. “Sambatra ianao fa nahavita niroso, naharesy ny tahotra, nahaorina akany”. Arahaba no indro afafy, mba hitsiry am-ponareo! Arahaba Malagasy, tsara rafitra no haseho! Dia tsarovy ity andro, ilay tsara fiposaka maraina! Mba tsarovy izy ity, raha sendra ianao ka mitaraina! Fa anio ireo toky, sesehena vita ela! Anio izy ireny, no tahirim-po midera! Mankasitraka ny lanitra, noho ny soa izay nomeny! Dia misaotra an’Andriamanitra, fa vita voady izy ireny! Dia ny rano no afafy, mba ho tafita dingan-davitra! Ny fitia tsy mba ho faty, raha novoadiana tamin’ny lanitra! Ka tano fa voady vita, teo anoloan’alitara! Aza asiana sisasisa, fa haravony mba ho amboara! Amboaram-po roa, ilay mahay mifankatia! Vinavinan’olon-droa, izay tafara-dia! Tano fa voady, fatomaty tsy hay vahana! Tano fa voady, mamelombelona hafanana! Jiro tsy mba mety maty, toy ny fitiavanareo! Hazavana miaina anaty, ilay voady vita teo! Ka tano fa voady, dia mahaiza mankasitraka! Fa tsy tontosa ny anio, raha tsy teo koa ny vintana, sy ny anjara entim-piainana, ary ny tendrin-dahatra! Dia isaory ny ao ambony, fa izy irery no mpandahatra! Eo tano fa voady, novakiam-po miray! Tano ilay voady, dia ‘lay dina ho mandrakizay! ‘Lay teo ambony alitara, vita sora-drà mitoetra! Tano fa voady vita, teo anoloan’ny rehetra! Dia ho mamy toa tantely, ny fiainananareo roa! Mba ho paradisakely, ilay akanim-po! Ny volana hibalika, toy ny masoandro! Ny alin’ny hatsiaka, naman’ny atoandro! Ny kintana hihira, toy ny anareo! Ny siokam-boronkely, tsy mba hankaleo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-alim-pahanginana-safidy-2012
NY ALIM-PAHANGINANA…
RRAG
NY ALIM-PAHANGINANA… (SAFIDY: 2012) Raha ny alim-pahanginana, no lazaina fahoriana, dia ny akanim-po sahirana, no hilanja fijaliana. K’izay maraina hiposaka, dia ho rakotra haizina, fa fonja iray voatokana, voalahatra ho famaizana. Raha ny zaza mitomany, no teren’ny tendry hangina, dia hangina toy izany, irony kintam-paniriana. Nefa fery no ao ambadik’ilay nanolatra efa ela, ka ny vina no nadaboka, satria ny fo efa nianjera. Raha ny alim-pahanginana, no fototry ny ràtram-po, dia ny setran’olon-tiana, no nandoto izay tan-doha. Ka raha ny alim-pahanginana, no terena hizaka heloka, dia tsy hisy andro hangirana, ary ho maizina ny efitra. Ny vehivavy mitaraina, tsy fanome ny tsiny akory, f’ireo nanafak’aina, nahatonga antsika tsy ho ory. Nefa ny alim-pahanginany, toa alim-pahorian-dava! Ny lambahoany fisikinany, dia zary lasa famafa tava. Raha ny alim-pahanginana, no isan’ny ali-mampisaona, dia ny maraina vao mangirana, no tena maizina amin’ny taona. Satria ny ràtra tsy mba maina, fa toa namery lava teny! Misy aza afak’aina, noho ny zogan-teritery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manofisa-safidy-2012
MANOFISA…!
RRAG
Manofisa anio alina, dia mba asivo ahy! Manofisa lalindalina, fa aza hadinoina aho. Mba tsarovy na dia indray, mitsiaro aza! Na dia nandoro nahamay, irony lasan’ny tantara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misaotra-safidy-2012
MISAOTRA…
RRAG
Mankasitraka anao, misaotra ihany koa, tamin’izay natao, ka vokatry ny fo. Ny lanitra io hamaly, ka hanolo-boninkazo, amin’ny felany miavaka, tsy mety malazo. Mankasitraka, misaotra anao mialoha, amin’izay tosika, tsy maintsy hatorakao. Fa iny sombin’ny aiko, mba tiako hanan-tsoa, eo mba raiso-tanana, fa aza ahilikao. Tiako hatamberina, ho ren’ny sofinao! Satriko hankarenina, mba ho tadidinao, ilay fisaorako iny, saotra voka-po! Iriko ianao tafita, hilanja valisoa. Fa raha ny sombin’ny aiko, dia efa nivoady, fa hoe raha mbola ianao, dia hivoha-vavahady, na dia misasak’alina, an’oram-be mikija. Satria ianao anio, ‘lay tsy foiny indrindra. Ka mbola haveriko eto, fisaorako anao. Averiko isan’andro, na dia hankalao. Satria hinoan’ny foko, fa mila izany ianao, mba ho herin-tsaina, afaka entinao miady amin’izato fiainana, tomefim-pitaraina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/androany-2
ANDROANY
Fredy Jaofera
ANDROANY Androany, niserana 'lay endrikao taloha ka nahabe fitserana, na vetivety aza moa. Androany, nitosaka 'reo ora nisentoana ka tsy afa-niposaka ny vazom-piravoana. Androany, nibahana 'lay onjam-pitiavana tsy mba nivavahana na isan'ny finiavana. Androany, nivolana ny aingan'ny fahiny rakotra ohabolana sy any ankehitriny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eny-ianao-safidy-2012
ENY IANAO…
RRAG
Eny ianao mitazana, manarangarana fijery, ‘ty fo iray mitavana, fitiavana efa very, mamisavisa lalina, ka misento sy mitsetra! Injay mandalindalina, ‘lay fery tsy voafetra. Eny ianao mitsiaro, mangina miandry sy vetso, irony fo ‘zay mahatsiaro, dia mievona misento. Mivavabavaka eny foana, sy mangata-pitahiana, ny hitonian’ny fo misaona, ‘lay nilaozan’olon-tiana. Eny ianao miandry, manantena mpampiampita, dia teo no tafandry, tavela tsy tafita. Nefa tsy afa-mitsambikina, tsy afa-milomano akory, fa raha izaho ianao mijanona, mijanona eo matory. Eny ianao mihevitra, fa hiverina izy hifona, nefa ny fo ‘zay tezitezitra, mety ho isan’ny hafoina. Eny ianao mbola, mitomany hatramin’izao! Eny, eny ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/i-dadabe-sy-i-nenibe
DADABE SY NENIBE
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Tena tsaroana ankehitriny, mitamberina ao an-tsaina, ohatra ny omaly ny fahiny, ny raibe sy renibe, lalaina. Dadabe sy Nenibe nitampify; eny anelanelany eny, nanao ho misy ny tsy misy, ny fisotroan-dronono kely. Dadabe sy Nenibe, misaotra, tsy nanadino ireo zafy; ny fitiavanareo tafahoatra, niezaka tsy nampihafy. Ny raibe sy renibe, lazaina; tia ny zafy noho ny zanany. Mby miverina ary tantaraina; nozarainy ny kely nananany. Tsy ho hadino mihitsy akory, ireo fotoana lava niarahana, tamin-kafaliana, na sorisory, hatramin'ny ora nisarahana. Tsy lasa lavitra izy ireo akory, fa ao ambany rangolahy ihany; tsy mifoha intsony fa matory, ny fanahiny an’habakabaka any.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saoly/sain-davitra
Sain-davitra
Lemady
Raha tsapanao mandreraka ny hazakazaky ny tany ka manomboka mahafanina ny fihodiny isan'andro, Mijanóna kely hilaozany ny hariva maty masoandro fa ho avy haka anao ny vola-tsinankerinandro rehef'izahay azon-dohan-tory. Hitondra anao an'habaka, Hitazan-davitra tsy hiamboho, ny hazavana sy ny haizina nifampizaratsika mitovy. Dia manisà efatra ambin'ny folo mandra-pifamadi-toerana ny tinaratra amin'ny aloka Eo ianao no miandry ahy Fa efa lalako ihany iny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iriko-nofy
IRIKO… NOFY…
RRAG
IRIKO… NOFY… Iriko mba tsaroana, ‘lay nofiko omaly. Iriko mba vonoina, ‘zay fery nampijaly. Ka mba tsaboinao, ry nofin’ny aliko iny. Ny fon’ilay raozy, mbola mpivahiny an’efi-tranonao. Iriko raha kaloina, horen’ny sombin’ny aiko, ‘lay hiranao ry nofy, anio misasak’alina. Tiako hovetsoina, saingy toa tsy haiko, ny miantsa ilay tonony, fa mampisento lalina. Iriko irony nofy, lasa fahazaza, raha afaka miverina, fa nofy volamena. Toy ny tononkalo, ‘zay efa toa nalaza, niverina an-kianja, injay anio fa velona. Iriko raha ny ràtra, tanatin’ilay nofy, no mba azo afenina. Fa mety tsy hahazatra, ny foko efa farofy, ‘ty latsalatsam-penina. Ka mbola iriko ihany, ny handevenana azy, an’afon’ny lavenona. Mba tsy hinia handràtra, ny saiko manantena, fa hahatafita tenina. Raha azoko irina, ny hiverenanao, hanafo indray ny efitro, dia ianao ry nofy, no ataoko faniriana, filanjako ny feriko. Saingy mbola nofy, toa anao ihany, ‘ty vinan’eritreritro! Aleo ‘zay lahatra eo, ry nofy mamikeliko, dia anjara holeferiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/f-a-n-i-l-o
F A N I L O
AnjaraNivo
FANILO Maizina hono ny lalan-kombàna? Amiko tsia, Matoa tsy hitanao izany fahazavàna, Dia mety satria: Tsetsetra fotsiny no hoetinao miaina Sy mandia izany Ka rariny ianao raha ho sasa-taraina Tsy roa aman-tany. Ny fo sy ny saina sy ny hery, fanahy: Ireo no fanilo, Ka 'reo no laroy amin'ny herin-dehilahy dia Rafeto ho jiro fa Ho hitanao eo ny firehetan'ny kintana Anaty haizim-pito, Sy izay fahombiazana Irahin'ny vintana Hivoaka rahampitso.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anio-safidy-2012
ANIO…
RRAG
Anio raha sitrakao, aleo hiteny indray, hiteny indray ny fo, na tsy ho izao dia ‘zao, dia andraso kely aloha. Anio toa ora tokana, tsy sarotra hitàna, hahafahany mamboraka, ‘zay tena hafanana, tiany havoaka, ho ren’ny raozy dia, ‘zay efa toa miandry, miandry ilay fitia. Anio raha ekenao, aleo haborako eto, ny hanitra tam-poko, miary irony sento. Tiako ho izao dia ‘zao, dia ny mbola maina, ity hola-periko. Anio no hany andro, sahiko hanehoana, fa misy ilay masoandro, manafina hakamoana, sy manafina henatra, tsy hahasahia-miteny. Anio raha sitrakao, ny maso aleo hijery. Fa tiako loatra ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/satria-tiako-ianao...-2021
SATRIA TIAKO IANAO...!
RRAG
Raha manelingelina ny masonao ny tavako dia aza asiana jery! Raha manohintohina ny hevitrao ny vavako dia aza avela hiteny! Raha atahoranao handràtranao ny tanako dia ahiliho hiala! Raha koa mety hamono ny anaranao ny anarako dia asio famafana! 'Zay sorisorinao aleo hiantoraka amiko hamafa ny hatezerana! Ny alahelonao aleo koa indramiko mba hitsirin'ny felana an-tsikitsikinao! Satria tiako ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/stia/mianara-ihany
Mianara ihany
S'tia
Raha mbola misy manabe Raha mbola misy ny miantoka Dia milofosa be dia be Fa ny fiainana io no antoka Aza arianarina ny fotoana Aza lalaovina ihany koa Fa raha tafita eo anoloana Ny fahaizana ,vokatsoa Ny redraredra moa mandalo Fa ny ora mandeha ihany Ny fahabadona no fahavalo Raha mbola miaina eto an-tany ~s'tià~ ¥anosivavaka¥
https://vetso.serasera.org/tononkalo/stia/teniko
Teniko
S'tia
Izao no teniko Teny kely fiantombohana Teny gasy teny mamiko Toy ny rano ampatsakana Teny gasy andrianiko Toa tsy mety lany amamina Nolovaiko t@ razako Teny gasy mahaliana Teny gasy tenin-drazako ~S'tià~ ¥anosivavaka¥
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jery-farany-safidy-2012
JERY FARANY…
RRAG
Jery faramparany sendra mba nitopy, nangalatra nitazana ny masonao nijery ahy. Ny fitiavana nomeny no efa mba nafoiko, saingy indrisy ny natolotro, tsy nasianao raharaha. Jery farany famono fanantena, kipy masokelin’ny toki-pandresena! Kinanjo fingan-tsy nampoiziko, fa ny fitiavana tanaty, no zary ngidin-todiko. Jery farany miary, harika maneso! Ianao ‘lay tiako mihitsy, no mihevitra ahy ho paiso! Ka jery farany, mialohan’ny hifandaozana, aminao ilay akany tsiarom-pilalaovana. Jery farany mialoha veloma! Teny farany mamarana fotoana, arahan-datsalatsa, sy esoeson-teny! Fandre efa mahazatra, raha ny toy ireny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toy-ny-raozy-ianao-safidy-2012
TOY NY RAOZY IANAO…
RRAG
TOY NY RAOZY IANAO… (SAFIDY: 2012) Topazana maraina, fa haingon-jaridaina, mamela-mavokely, bikàna toa anjely. Toy ny raozy ianao, meva sady kanto, ka toa tsy foy mihitsy, fa miendri-bikan-dranto. Toy ny raozy ianao, naman’irony lisy, noho izao tontolo izao, dia efa tady ho dify. Toy ny raozy ianao, tsara nefa indrisy, ireto felanao, mihintsana tsy misy, ka maina hatramin’ny ravina, fa sendra ferinaina. Finga-mirako-javona, mila hanafak’aina! Toy ny raozy ianao, fa sendra tsy nitsiry, nofin’ny omaly ihany, fa mbola tsy naniry. Faka efa maina, no sady sisan-dasana, ny nipoiranao, dia toy ny avy any am-pasana. Toy ny raozy ianao, miandry karakara, mila tondratondraka, fa voa tena tsara. Nefa koa indrisy, fa mora mankalao, satria ianao mihitsy, no fototry ny talaho. Toy ny raozy ianao, famari-paradisa, haingon’ity tany, mpandravin-disadisa. Miavaka sy tokana, kanefa maro anisa. Hafa ihany ianao, na dia tsy mora hita! Toy ny raozy ianao, voa mora malazo, be fanantenana, sady iray fivazo, amin’irony taho, mpandràtra fo malefaka! Na ny hitafy anao aza, toa mety hahamenatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/di...-rahaingoson-henri/zanakiza-moa-ireny
Zanak’iza moa ireny?
Di... (Rahaingoson Henri)
Zanak’iza moa ireny Hitanao mameno tsena Sao “ankizy dia” manjeny Fanetriben’ny firenena ? Zanak’iza moa ireny Hitanao isa-maraina Toa mivenjy fotsiny eny Ankizy adala sa malaina ? Zanak’iza moa ireny Avy taiza no nivoahany Nisintaka ny tranon-dreny Hiaina izay mba fahafahany ? Asa lahy, asa kosa Ary sao dia mba kamboty Na zanak’olona efa osa Ka tsy afaka miangoty ? Ao daholo angamba izany Nefa izao no tena izy Ny fari-piainana no ambany Tsy mahavelona ny ankizy. Miasa lahy, miasa vavy Nefa indrisy fa mazàna Tsy velona ny mpianakavy Potiky ny fahantrana. Ny lava-trano izay itoerana ? Tapatapaka fanitso Ka vao rivotra miserana …tafo lanitra ny ampitso. Izay mba hoe ankizy voky Nofinofy mahangoly Mainka moa fa hoe ny boky Sy fidirana an-tsekoly ! Vao mba misy sombin-kery Dia atsipy anaty tolona Alefa hiady samy irery Ka ny fetra boton’olona. Dia indreny izy ireny Mivezika atsy mankaroa Tsy dia hoe mirenireny “Raha tsisy ny asa, ahoana moa ?” Ny sasany mandeha irery Ao ny miara-droa sy telo Gaga ianao raha toa mijery ‘Reo kely mbola tsy afa-delo. Ny fitafiana amin’izany Lamba tonta sy maloto Ny fitombenana efa lany Eny ireo no “Jiolahimboto”. Zanak’iza hoy ianao Zanak’iza hoe ireny ? Ny hany valiny dia izao : Zanaky ny fireneny ! Fiaraha-monina, n°38 tak. 107-108
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izay-tokoa-ve
IZAY TOKOA VE?
RRAG
IZAY TOKOA VE? Raha penin-tsy hikorisa an'alim-pahanginana, tsy lany ranomainty fa efa resin'ny ady! Tolefika alahelo nianjera teny am-panidinana, mitokon-tsy hisosa fa trotraka sahady! Izay tokoa ve? Sa ny ainga no matory? Na mbola mitolefika an-tsetrasetram-piainana! Sinaingy fanahy toa resin-tory, asa angamba leo, tofo-panaintainana! Raha penin-tsy hikorisa hanambara ny ainga anaty, ao anaty fahanginana mampanembon'eritreritra, dia penin-tsy mba fisakaiza, tsy ilaina fa efa maty, zary fako sy korontana mameno fotsiny ny efitra! Fa 'zay tokoa ve moa? Sa kosa izy miala sasatra, mieritreritra 'reo dingana mbola mila fisedrana? Sao kosa lahy ka dia misintaka sy mieza-miatakataka, fa mataho-mikorisa eny an-kianjam-panoratana malama?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-mangina-safidy-2012
AZA MANGINA…
RRAG
Notinerena tsy hiteny, novozonana hangina. Tapena-maso tsy hijery, ny tsikitsikin’olon-tiana. Dia aza mangina! Sokafy ny vava, aleo ny am-po, mba hiezaka ny hilaza, ‘zay tiany hambara. Fa mba henoy tsara, ‘ty fibadan-dela, manahy ny hoterena. Aza mangina, anoloan’irony fery! Aza variana, ny miaina mitsianjery, fiainan-tsy ho hita, nofinofy am-paradisa, dia varia-mitositosy. Ka ny efa mainty ve ho fotsy? Aza mangina, raha tsy mbola hoe tontosa, ‘lay voadin’ny tiana, ny hanala irony trosa! Aza mangina, raha tsy efa injay tanteraka, na dia misy ny ahiana, na koa mety hoe handreraka. Aza hatsahatra, ny adiady izay mavesatra! Aza miandry, olon-kafa mety hanafaka. Fa tsy ny sandry, no ampinga atao ho sakana, tsy ahafahan-kery mamindra, entina mamerina, ireo kasa tsara rindra, aim-panahy mampivelona! Ka aza mangina izany instony, fa mba mitenena. Aleo ny tiana, no hiady ho an’ny tena, handefy iretsy nenina, hanataka irony zaitra, tsy tian’ny saina hatamberina! Fa zogam-po tsy laitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rainazy
RAINAZY
Fredy Jaofera
RAINAZY Aza mamaly faty fa ny mpanao ratsy dia ho potika ho azy fa tapitra teo ny vatsy sy hita fa lasa rainazy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-anako-iny
INY ANAKO INY…
RRAG
INY ANAKO INY… Io dia mba topazo, asio maso ihany! Mba jerijereo, raha sendra mitomany! Io dia mba tambazo, tolory safosafo! Aza avela halazolazo, lemen’izato ankaso. Iny anako iny, felan-tsy mbola maina, omeo izay iriny, fefeo ‘lay nantenaina. Dia ilay fitia, tsisy izay takalony, ka tsy ho iny sanatria, no zary zavo-malony. Iny anako iny, fanilo fa tsy raozy, namoha ilay fahiny, nanamafy daozy. Saingy mbola ho izy, no hamafa izay voafery. Izy no fanafody, voka-misitery! Iny anako iny, tsy henatra tafiako! Na rovidrovitra aza, dia lamba ny fihafiako, mitoetra eny foana, sarotra havalona, Izy iny ihany, no nahatonga ahy ho malina. Iny anako iny, no tetezan-kiampitako. Tady iray mitàna, tsy resin’ny hadalako. Izy iny irery, no tokana ahavelomako. Iny anako iny, no aingam-pitolomako. Ka sanatriaviko eto, ny hamafa ny fisiany! Sanatriaviko eto, ny handrara izay ho tiany! Fa azy ny safidy, manarak’izay voalahatra! Nefa eto an-tany, tsy hisy tonga lafatra! Ka aza omena tsiny, raha toa mandidy ihany. Manapaka tsy satry, ny anjara entin-tany, fa vokatry ny fitiavana, iny anako iny. Tsy mampaninona ahy, izay hibaby tsiny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-salovan-tavanao-feno-ranomaso
‘LAY SALOVAN-TAVANAO, FENO RANOMASO…
RRAG
‘LAY SALOVAN-TAVANAO, FENO RANOMASO… Ry aiko, ‘ty tavanao mando, noleman-dranomaso, nisolitika naloto, tsy nisy famafàna. ‘Ty ràtram-perinao, nondesin’ny ankaso, narary fa nihafiana, fa hola-pahazazana. ‘Lay salovan-tavanao, feno ranomaso, mari-pahatsiarovana, irony ferinaina. Ireny akanjonao, kotsan-dranomaso, Porofom-piandrasana, izay nantenaina. Saingy toa indrisy, mbola toa tsy tonga, mety mbola tsy ho avy, ilay niandrasanao. Dia nitomany ianao, toa zary lasa fomba, ‘ty mamafa ranomaso, amin’ny fitafianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dina-safidy-2012
DINA…
RRAG
Ho anao ry sombin’ny aiko, ho anao no handraketako, ho anao ‘zay nolalaiko, no indro handrafetako, ‘ty dina feno toky, atao tahirim-boky. Ho anao ‘zay manantena, valin-kafatra amiko, miandrandra fandresena, anivon’ny tomaniko, mino ny ho tafita, an-dalana tsy vita! Ho anao no nivavahako, tamim-po mangina, sy nanononam-bavako, ‘reo toky faniriana! Ho anao ‘lay niandry foana, ny fiafaran’ny sedrako, nanana fotoana, namahana irony gejako, ho anao injay no hanaovako, ity vetsovetsom-poko, ka eto no anoritako ny fototra sy toko! Raha sitrakao ataoko dina, dia ento atao sonia. Ho vilarano an-kiran’ ny mandrakizay doria. Hamafako hatrany ny ranomasonao. Ka ho foana ny tomany ny alahelo handao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yromy-ravelo/miangavy-fitia
MIANGAVY FITIA
YRomy RAVELO
***MIANGAVY FITIA**** Koboniko tsy tana ilay fo. Te hanontany foana hoe aiza Tehiriziko tsy zakako Ilaviko tsy lefy ilay mitia Tsy vao omaly fa hatrizay. Adala tokoa moa ny fo Sahirankiram-poana Tsy te alala izay hanjo Fa ny tiany dia tiany iany Tsy sasy hibabo ilay tsy tiany. Ka ny manta vary aza. handevenan-trotro be. Koboniko miharihary, Ilay Fery tsy mety sitrana Fo manambara fitia Zary te hararirary Noho anao ilay tiana Fa mba hekeo ra malala Raha toa ka sitrakao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yromy-ravelo/alanorana
Alan’orana
YRomy RAVELO
****Alan’orana****** Malama maina ny tany Ka sarotra aleha hatrany, Mamisimpisina ny andro Manerika toa maloka. Misy feo re heny anala Manakoako,toa tsy re, Mikirintsona feo mafatifaty, Dia ny ravin’ala sy orana miady, Tsy tian-kijanona ho re ety an-tany, Nefa indrisy mantsy mankaleo Fa DIBO-DRANO NY AO ANTANANA.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-vehivavy-ve
Ny VEHIVAVY VE?
NY HERIMAR
NY VEHIVAVY VE? Lazain'ny Ntaolo fa fanaka malemy Kanefa izay azony milavo sy manjeny; Vehivavy manahirana saro-takarina, Im-pito solafaka fa mbola miarina. Ekeko tokoa fa loharano nahatafita, Sy Haingon'ny Voary fitaratra vita Kanefa mihitsy saka mamony hoho, Milaza tsisy tsiny mandripaka akoho. Efa maro ny fay hatramin'i Samsôna, Ilay natanjadahy voatery nisaona; Ny fitiavam-behivavy manimba gaona, Manimba ny ho avy, mahavery diplaoma. Ao ireo vehivavy tsy misy ilavana azy, Mampirafy maro, mpamitaka vady; Kanefa tsy voatery fa mba misy ihany Vehivavy tena hendry reharehan'ny tany. 13:22' Morocco
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/zava-mahery
ZAVA-MAHERY
AnjaraNivo
ZAVA-MAHERY Zava-mahery tsy resin'ny fony Ny zavatra mihatra amin'ny ainy satria: Matevim-pisoko sy sarotra hatony Hono ny haratsian-tsain'ity fiainana ity. Tsy mbola olombelona vonon-kiarina Anefa raha 'zany no mby ao antsaina, Aiza ity lalana mbola hotratrarina No eto sahady dia sasatra miaina? Tsy ho voaraviran'izay fendrofendro Ny ady amin'ny fiainanao mampitomany Izay aloha no isany iray manandevo, Ny "kapo-pitiavana" koa etsy ihany. Ireo tsy ho resy raha tsy efa matihanina Ianao amin'ny herin'ny fo sy ny saina. Ataovy filamatra sady arofanina Miorina anaty ny hoe "tsy ankitaraina": Ny fiainana iainana ambonin'ny tany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malagasy-firy-
MALAGASY FIRY ?...
Fredy Jaofera
MALAGASY FIRY ?... Malagasy firy no mitady sy maniry hanam-piainan-tsambatra amin'ny fo tsy miangatra ? Malagasy firy no milofo sy mikiry ny ho voky sesehena sy ny hoe : hanankarena ? Malagasy firy no mihafy sy miziry ny tsy mety miasa maina na ho resy tsy hay lazaina ? Malagasy firy no be nofy makadiry ny higoka fahafahana, na any anaty fivavahana ?.. Kanefa ange topazo fa mihabe mpahazo sy mampihanahana izato fahantrana. Kanefa ange jereo fa maro no efa leo fampandriana adrisa tsy àry voatanisa. Kanefa anga diniho ny omaly sy ny anio fa miroto lalandava sy mila tsy hazava. Kanefa ange tsarovy fa saika toa mitovy isan'andro vaky izao ny dinitra ho anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/diso-fahavalo
DISO FAHAVALO
Fredy Jaofera
DISO FAHAVALO Diso fahavalo ny fanjakana fa tsy dahalo 'zay norarana. Diso fahavalo fa nandrahona ka nampimalo, na efa vahona. Diso fahavalo fa nosakanana 'zay mpandalo nila fiadanana. Diso fahavalo fa 'rony tatitra, nampihalohalo ka tsy niaritra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-maty-dia-fanahy
NY MATY DIA FANAHY
Fredy Jaofera
NY MATY DIA FANAHY Ny maty dia fanahy mihaodihaody eny mpiaro ka mitahy antsika lavareny. Ny maty dia fanahy mitari-pahendrena toa mba mahasahy manova ny tena. Ny maty dia fanahy manilo 'zay diavina rehefa azon'ahiahy sy toa tsy tiavina. Ny maty dia fanahy hajaina eto an-tany mandefa ny tsiahy mizotra mankany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/hono
HONO
AnjaraNivo
H O N O ? Hono ry fasa-mampody ho tany, Mba firy ny sento nindaosinao any? Nindaosinao any tsy nisy fihatràna, Kanefa tsy anatin'ny didy, lalàna: F'ianao manan-jo haka an-keriny ireny Fanahin'ny potraka sy ny malemy, Ny nofo marefo tinaizan'aretina, Vatana kely madio tsisy pentina, Ny vokin-traikefa an-taonany ela, Noraofinao any tsy nisy tavela. Hono? Rahoviana ny antsonareo: No ho vitsy an'isa sy ho ambany feo? Ny antsonareo ka tsy zakan'ny loha Sy mila hampirongatra famoizam-po. Azoko anefa ny lalàn'ny tany: "Tsy misy nateraka ho velona izany", Fa santatry ny ho avy irony antso nandeha, Dindon'ny nofoko be rehareha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/impiry
IMPIRY?
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
IMPIRY? Ray ô! impiry hitalaho sy hitaraina an-dranomaso izato zanakao vao handresy ireo ankaso? impiry handohalika hibebaka sy hifona raha tojo ny ady sarotra ka handà ny fanompoana impiry hanolo-tena manoloana ny alitara ka tsy hivadi-panekena hitory sy hizara ny filazantsara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsirom-piainana
REHEFA TSIROM-PITAHIANA
Fredy Jaofera
REHEFA TSIROM-PITAHIANA Rehefa tsirom-pitahiana no hisy amin'ny tenako dia hahalala fijaliana ny olo-nanenenako. Rehefa tsirom-pitahiana no hitobaka amin'izay dia hahazo fahoriana 'reo nilaza ho mahay. Rehefa tsirom-pitahiana no handoko ny tontolo dia ho tojo fihafiana 'reo nifosa daholo. Rehefa tsirom-pitahiana no iainana eto an-tany dia hahita fanaviana 'reo namely ihany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/ankehitriny
ANKEHITRINY
Lahatra Natiora
ANKEHITRINY Nifanena foana isika Isan'andro, isan'ora Saingy mbola nangatsika Ilay fitia toa feno akora Ankehitriny dia mitsiry Ilay fitia tanaty foko Ka manjary te hikiry Hanoratra azy ho velon-doko Ankehitriny koa anefa Tiako ho foana ato anatiko Ndrao ho diso fiantefa Ity foko ka tsy ho tantiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/m.j.f/coron
CORONÀ
M.J.F
Corona,corona Le virius netim-bazah Virius kely mitana basy Mitady andripaka ny malagasy Navoaka polisy sy ireo zandary Ny miaramila aza toa marary Nandripaka olona marobe Hatram pastera sy deputé Nisotroana tambavy CVO Voasary makirana iray scio Fa tsy hitako akory izay iafarany Fa ny confinement toa mitombo ihany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/manaova-ny-marina
MANAOVA NY MARINA
Lahatra Natiora
MANAOVA NY MARINA Manaova ny marina ombam-pahendrena An-tsitra-po, tsy mba terena Fa ny marina atao tsy ho faty na oviana Hiotazan-tsoa rehefa any aoriana ! Ny manao ny marina, tsy zava-mora ; Ao ny tsy faly sy 'reo mpanakora ; Ka aoka tsy ho kivy na maro mpanenjika, Fa ny olo-marina tsy mba ho rendrika. Koa herezo ny saina hanao ny marina, Sikino herim-po fa tsy maintsy ho tafarina ! Ho sambatra ianao raha izany no tò Ho feno hafaliana sy fiadanam-po! Manaova ny marina raha tianao ho tsara Ka ny ho avy mamiratra no aoka hanambara Fa ny marina atao, levenam-bola ! Harena sy ampinga 'zay tsy mba ho tola !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/aboraho
ABORAHO
AnjaraNivo
A B O R A H O Ny nofy anatinao? Tsy misy fiantombohany io, tsy misy fiafaràny; Fa fotsiny venteso toy izany ataoko izany; Raiketo mba ho lasa ampahan-tononkalo; Kanefa koa fantaro Fa ny nofinofinao, Ny vinavinanao Amin'ny andronao ho avy Dia anao samirery. Aza aboraboraka fa maro mpamosavy Mikendry lalan-dava ny hahapotika azy ireny. Rahatrizay ka vita ny nofin-tenanao, 'Ndeha indray mba vinao Aloha ny nofy ratsin'ny hafa: Hoe any misy fo mifendrofendro sy maratra Saingy vitsy mpahatsapa! Sombim-pikafika, Sombin-"teknika" ihany izay rehetra izay, Fa anao ny aingam-panahy, Anao ny hadalàn-tsaina; Raha hisy tsiny hitobaka eo: ianao no hosavolaina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/mitrak-ry-gasikara
MITRAKÀ RY GASIKARA
Lahatra Natiora
MITRAKÀ RY GASIKARA Ô ry Nosy manirery Mijoroa ka mitrakà Aza ilaozanao miery Maro no mba te hizaha Ireo ranomasina mpamefy Manamafy ny hatsarany Ary ny alanao mirefy Manatsara ny tantarany Ireo hakantonao fahiny Mbola tiako hojerena Na dia hita ankehitriny Fa niova, ô ! Mahonena Na dia niova aza anefa Tsy mampiova ny fitiavako Toa vao mainka mampiantefa Satria ao ny tena havako Ô ry tany niaviako Miverena mba ho soa Ka izao no faniriako Mba ho tretrika tokoa Mitrakà ry Gasikara Miezaha ho soa hatrany Ka ny zanaka sy fara Ho tamàna, ho tompon-tany !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/m.j.f/ho-tokam-po-ho-anao
HO TOKAM-PO HO ANAO
M.J.F
Any ianao rahavako 'Lay tiako sy lalaiko Mitempo ho anao ny foko Misento anao ry aiko Raha ny elanelantany Tsy haharava 'lay fitiavana Indray andro any Mbola hihaona isika rahavana Ny fitiavako tsy ho ritra Fa hitombo atrany atrany Ho doria ny @tsika Fa tsy hoe hatreo ihany Matoky anao zah vadiko Fa ho hendry tsara ianao Ary apetrako ny voadiko Fa tena ho TOKAM-PO ho anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ho-entiko-am-bavaka...ny-fiainako
HO ENTIKO AM-BAVAKA...NY FIAINAKO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
HO ENTIKO AM-BAVAKA...NY FIAINAKO Tompo o! moa va ahatahotry ny loza aho raha mba manampikasana ny hanam-pandrosoana? tsapako fa any ho any misy manampaniriana te hanimba ny tontoloko misy hery miafina te handrombaka ny fiainako ary te hisompatra izay mety ho anjarako Ray o! izany rehetra izany no hitalahoko Aminao ary hangatahako mihitsy ny Fanahy Masinao hiambina ahy anaty ora sy minitra Ianao no amiko, ary mahatoky aho fa n'inona n'inona fitranga dia momba ahy Ianao amin'izay rehetra ataoko ary raha tojo zava-tsarotra ny lalana izay diaviko na mifanojo an-dalana amiko izay mety ho fahoriana dia mahatoky aho fa akaiky ahy Ianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lefona
LEFONA
Fredy Jaofera
LEFONA Lefona ny vava ka mba fepero fa mpandrava sy misy afero. Lefona ny fosa ka sakantsakano tsy mba hisosa sao re angano. Lefona ny latsa ka mba aleveno sao tsy ho patsa ka dia ambeno. Lefona ny vely ka ilaozy aloha, tsy marary kely fa ngeza tokoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mandry-ny-eritreritra
TSY MANDRY NY ERITRERITRA
Fredy Jaofera
TSY MANDRY NY ERITRERITRA Tsy mandry ny eritreritra ka avoaka ny hevitra feno fandotoana, feno fanesoana fa tsy namampo 'zay zava-nanjo nidona tampoka ka dia niantoka : nigoka ngidy fa safidy ! Tsy mandry ny eritreritra ka manjary mora tezitra fa injao manenina, na mody afenina 'reo ratsy vita, tsy nahatafita, tsy nampatory fa dia nahory efa hatry ny ela ka tsy afa-bela.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fierenana
FIERENANA
Fredy Jaofera
FIERENANA Raha mbola fierenana no mahamaika azy ireo dia tsy hisy fanarenana ny tanintsika ka vonjeo. Raha mbola fierenana no ilofosany isan'andro, tsy ho hainy ambenana ny krizy be antoandro. Raha mbola fierenana no asa foana ifotorana dia tsy hisy fiverenana 'zay very mahatorana. Raha mbola fierenana no isasaram-pahefana dia sarotra tampenana ny lesoka niaingana !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/m.j.f/tiako-ianao
Tiako Ianao
M.J.F
Ianao ilay faniriako Ianao ilay tena tiako Ianao ilay tena tsara Ianao ilay mahatara Efa ela no nahitako vehivavy Fa aminao aho nahita faka vady Faniriko de ho mandramaty Ka na maro resak'olo zah mahatanty Tena tiako ianao ka tsy azoko afenina Zay angamba no azoko tenenina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-zaka-ny-marina
TSY ZAKA NY MARINA
Fredy Jaofera
TSY ZAKA NY MARINA Tsy zaka ny Marina dia avoaka ny tafika fa tsy tiana hitarina ka indro manafika. Tsy zaka ny Marina dia tsy avela hijoro, na inty tsy tafarina ny tany fa mikoro. Tsy zaka ny Marina dia tsy avela hiteny ny mponina farina sy noana ombieny. Tsy zaka ny Marina dia ambara fa lainga 'zay hoe nangalarina vao indro nanainga.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/hoy-ianao
HOY IANAO ...
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Hoy ianao, tsy mba taitra, raha mangina aho misaina; amin'ny feonao manaitra, tohina aho, tsy mitaraina. Hoy ianao, vao maraina, tsy mba henoko akory; ny ferinao nanaintaina, izaho nidaboka, natory. Hoy ianao : “tsy mijery!” Adinoko ny tokony hatao. ‘zato teny toa manery, valin-teny izao dia izao. Hoy ianao, manome tsiny, “ny fihetsikao diso hatrany!” manonjanonja anaty siny, izaho mitopa anaty akany. Olon-droa tsy hary hitovy, nobeazina, samy azy ny azy; saingy niezaka hampitovy, tsy hisy intsony ny adiady. Ny vao tsy ialan-kasokasoka; ny tonta tsy ialan-dromoromo; izay miforitra no mila pasoka, ny fitiavana ezahin-kitombo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ity-fahotako
ITY FAHOTAKO…
RRAG
ITY FAHOTAKO… Indrisy ry fiainana be siasia, ity fahotako! Toa neni-mandatsa ny foko nitia, ilay fahajambako! Nilaozako mantsy, ‘lay hany olon-tiako, fa tsy mba ninoako! Vavan’ny hafa, no nomeko lanjany, fa tsy ny fitiavany! Ity fahotako! Hoentiko ho aiza, izato nenina, manarona ahy? Ny efa vita tsy hiverina intsony, nefa aho toa tsy sahy. Menatra loatra, ny hiala-tsiny, tamin’ny ratsy ‘zay vitako! Ity fahotako! Ry ‘ty fahotako, toa ‘zao ianao vao hitako! Ny fambaran’ny hafa, no nankasitrahiko, ny teninao, toa zary ahiahiko. Ka inona intsony, anefa ny amiko, fa ianao ‘lay tiako, no nandao ny akaniko? Ity fahotako! Toa tara loatra, izay vao hitako, tsy neniko mantsy, raha tsy efa vitako, ny nandrava tsy satry, ‘lay fitia fato-maty! Efa vita voady, fa ho mandramaty. Ity fahotako, miangatra ianao e! Nahoana kosa, fa hatraiza mihitsy, ny vidin-trosa, tsy maintsy ho efaiko, vao hoavelanao, hitony ny saiko?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-feonny-fanantenana/ilay-tovovavy-nofy
Ilay tovovavy nofy
Ny feon'ny fanantenana
Afak'afaka aho mahita Tovovavy iray Izay tena tsara bika tsy misy mahasolo azy izay Ny endriny sariaka Ravahan'ilay volony goragora Toa masoandro mibaliaka ilay fitsikiny miantefa moramora Tsy iza kory izay Fa ilay tovovavy tao anaty nofiko tao Izy ilay niriko ho ahy Indrisy nofy no azo atao Nefa izaho manantena Fa mbola ahita ny toa azy Hiaraka elaela Dia ataoko ho vady mariazy Mbola nofy iany nefa izany nofy tsy mba ho toa eny nofy hatrany htrany mbola nofy tsy hamoha Fa ny afon'ny fanantenako tsy ho faty fa ho velona mandrakizay Ho velona fona ato anty Ahita ilay tovovavy iaray Afak'afaka aho mahita Tovovavy iray Izay tena tsara bika tsy misy mahasolo azy izay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/maninona-boy-aho
MANINONA HOY AHO?
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Maninona hoy aho, no tsy mety mandroso, ity Firenena manankarena, tena lasa androrosy? Mahatonga saina lalina ny mandinika izany, satria efa lavo, eny mitrosina amin'ny tany. Maninona hoy aho, izay nomena fahefana, niova sy nivadika, ny nanohana no dakana? Fihetsik'amboadia mitafy hodi-janak'ondry; ka ilay safosafo, toa nivadika ho totohondry. Maninona hoy aho, rehefa itodiana ny taloha? Ireo mpitandro filaminana, navoaka hamaky loha, nanapoapoaka grenady, sy nitifitifitra basy, ny vahoaka mahantra, no vonoina toa parasy. Maninona hoy aho, eny maninona foana re? Ny maso no tapenana, ny sofina tsy mandre; mba hijery mahitsy, sy hihaino ny fitarainana. Rehefa dinihina lalina, tena lasa ny fisainana. Maninona hoy aho, isika manana andraikitra? Andao ahiratra ny maso, fa tsy avela hiraikitra. Sokafana koa ny sofina, mba ho aheno tsara ; jerena ireo vaha olana, dia ny mbola tsy tara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-misy-haniry
TSY MISY HANIRY...
RRAG
TTsy manan-kambara intsony aho! Aleo ny fanahy indray no hiresaka hanao veloma azy farany na dia aty ilavitra aty ary ny tenako! Mandria am-piadanana Andriamatoa tale (RANDRIAMANANTSOA Jean Paul André, 15 Febroary 2021)! Talen’ny sekoly izay nakan’ny ten any mari-pahaizana lisansa. TSY MISY HANIRY... Raha ny ao an-tsain’ny tena, tsy misy hirina ho any! Ny ivom-pandresena, dia foana ny tomany! Rava ny hetraketraky ny fasana amin’ny velona. Tsy hisy hivalaketraka intsony ny olombelona! Saingy tsy tanan’ny eritreritra ny ainao noheverina tsy ho lavon’itsy fasana! Eny e! Raha mbola amin’izao dia tsy maintsy misy lasana! Dia lasa izany ianao o? Tsy hitafatafa intsony anaty sangin-teny! Hatreo ve? Efa izay natao ka dia naleonao nangina tsy niteny! Naleon’ny fasana manko e! Naleony ianao no nampanginina! Hangina tsy hiantsoantso, an-dalam-pisidinana tomefy sakantsakana tsy tambonao isaina! Saingy ianao no lasana, nangina, dia indro naka aina! Lasa naka saina, an-dalana vaovao! Ka namela ity taraina, ho an-dreto zanakao! Mandria e! Soava dia ry Ray, mpibea sy mpanabe ireo solofo! Mandria e! Mandria dia aoka izay fa anjaran’ny hafa indray no miezaka manompo! Fa ny adinao hatreo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-feonny-fanantenana/masoandro
Masoandro
Ny feon'ny fanantenana
Ilay masoandrom-piainantsika Nantenaiko hibaliaka Toa nanjavona tsy hita zary toa tantara sisa Fa ny foko izay nijaly sy nirotsaka tomany fijaliana eto an-tany hakiviana toa tsy lany nefa any indray andro any mbola hisava ny tomany ka ho volana baliaka ilay masoandrom-piainantsika dia lasa ianao nandao lasa ianao fa lao nahita ny any ho any dia adinonao ny akany fa hoy aho hoe... mahità ny soa dia mahità ny tsara mba hajao izay tiana aza ampijaliana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tairinao-ny-foko
TAIRINAO NY FOKO
Fredy Jaofera
TAIRINAO NY FOKO Tairinao ny foko, ry mpandalo vetivety, ka mampisoko fitia ange raha mety. Tairinao ny foko ka midobo-pifaliana sy te handoko 'reo nofy tsy zoviana. Tairinao ny foko ka mientana tokoa, dia mampitoko hetaheta ihany koa. Tairinao ny foko ka te hanaraka avy fa mba tsy foiko matoa re miangavy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sanatria-kosa-aloha
SANATRIA KOSA ALOHA…
RRAG
SANATRIA KOSA ALOHA… Sanatria kosa aloha ny hilady aminao ry olon-tsy tia! Ny foko tsy hitamby amin’izay natataon’ ny ràtram-pitia! Sanatriaviko mihitsy ny hanozona anao raha tsy sila-panahy! Vetso miampita no hany azo atao hampifohan’ilay, aingam-panahy! Sanatria ny hitomany andro aman’alina fa nilaozanao! Ny saiko mihitsy no toa efa malina vao hitia anao! Sanatriaviko ny hilelaka izany faladian-tongotrao! Aleoko ilavitra resin-tomany toy izay resinao! Sanatria kosa aloha ny hiverina any ka hikaroka sento! Fantatro mihitsy hoe boribory ny tany ka hihaona eto! Fa ho sanatria amin’ny androko hoavy ny hitia anao! Sanatria kosa aloha e! Ny hifangeja an-tady fa aleo amin’izao! Amin’izao ny ahy sy ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ilaina-ny-hafa
ILAINA NY HAFA
Fredy Jaofera
ILAINA NY HAFA Ilaina ny hafa hahafantarana ny tena matoa mitafa etoana tsy hay fefena. Ilaina ny hafa ka aoka tsy hofosaina tsy hampijafa ny adidy izay efaina. Ilaina ny hafa ka aza hamaivanina fa tia namafa ny lasa ka nentanina. Ilaina ny hafa rehefa singan-drery toy ny sahafa tsy misy mba mijery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anaka
ANAKA...
RRAG
Arahabaina ‘kia zanako a! Mirary fety sambatra ho an-drỳ aho amin'izao fitsingerenan-taona nahaterahandry izao... Mitomboa fahendrena sy fahaizana ka ho tojo izay irina sy kinasa! Ho tahian’izy Tompo! ANAKA... Raha misy ifoforan’ny Ray sy ny Reny, dia ianareo zanaka! Ireny tabataba miary teniteny, no endrik’anatranatra! Arahabaina aloha fa nahadingan-taona indray, tafita sedra maro! Ny faniriana koa dia tafita rahatr’izay, ireo tanjo-mifangaro! Anaka! Tohizo ny eza-bita, natao hatramin’izay! Aoka ilavitra any, irony disadisa, ninday afo mahamay! Irariana soa hahazo izay kinendry, eo amin’ny fiainanao! Aza difiana akory, ny sori-boatendry, fa mety ho lalanao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kisarisary-fotsiny
KISARISARY FOTSINY...
RRAG
Ny datin’ny 14 febroary 2021 dia hijanona ho isan’ireo andro sarotra hohadinoina eo amin’ny fiainantsika roa (RABEMANANTSOA Anah Fisainana). KISARISARY FOTSINY... Kisarisary fotsiny ny endrika ivelany, fa ny ao am-pontsika no fetran'izy ireny! Tsy voatery ho marina izay lazain'ny lelany, somary nisy sira sy sarisarin-teny! Fa tokana ny fototra dia ny fitia anaty, tsy kisarisary intsony fa irin-tsy ho faty! Kisarisary fotsiny ny fanomezana fanolotra, kisarisary koa irony aloa-molotra! Saingy tena izy iretsy toky vita, nefa aleo aloha ny atao no hita! Satria toa sarotsarotra ny manavaka ny sary, raha fitia miredareda no injao abarivary!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vetavetainy
VETAVETAINY….
RRAG
VETAVETAINY…. Vao avy nivaro-pitiavana aho omaly, fa tsy mba nahita ny tombony akory. Dia niezaka ery ninia nampijaly amin’ny fitafy tsy maontina ambany sy ambony. Ny tenako foana no resin’ny hatsiaka izao dia ngoly tsy misy azo raisina! Izay minitra roa, eny dimy dia vita no ihafiako fanala mampitondra faisana! Vola tokoa ilay tadiaviko, kanefa areti-mandoza tsy sitrana intsony. Dia ny aiko izany no mety hanefa noho ny hadalana tsisy tombony akory! Ekeko tokoa fa sahirana ihany kanefa ve aho dia hampanofa tena e? Aza misy vintana, ny hisian’izany fa angamba anie aho dia hamono tena! Ry zandry sy zoky, aleo homan-kely toy izay mahandro fotsy, hoy ny fiteny! Fa any ihany ve no misy hanombinana, hanaporofoina fa tena sahirana? Tsy entam-barotra amidy ny vatana akia a! Noana ny ankizy, eny noana ianao! Fa rariny ve, ho atao takalo amy vidim-pitia, hovetavetainy tsy ankiantra, ity vatanao?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-haiko-ny-handeha
TSY HAIKO NY HANDEHA
Fredy Jaofera
TSY HAIKO NY HANDEHA Tsy haiko ny handeha raha tsy voambara ny tsapako aminao fa mampirehareha ka mety ho tantara halaza ao ho ao. Tsy haiko ny handeha raha tsy voasoratra 'zay momba antsika, hoy aho ka maneke fa tiana hamokatra ny ainga tsara dika. Tsy haiko ny handeha raha tsy ho voatonona ireo mbola teny roa mamy hatrany ange afaka hampionona ny tena rehefa voa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iandraso-aho-raha-ho-any-ianao
IANDRASO AHO RAHA HO ANY IANAO…
RRAG
IANDRASO AHO RAHA HO ANY IANAO… Raha fiadanana tsy ho hita, no hoe hamoizako anao, dia aleo koa samy vita, miaraka amin’ity tolonao, ny fiainako eto an-tany, fa tsy ho zakako ny hitomany! Ka iandraso aho, eny iandraso aho, raha ho any ianao! Iandraso aho, raha ho any ianao, fa tsy ho tantin’ny saiko mihitsy, izany hoe hifandao, ka aleo koa re ny aiko, mba hanaraka anao, hisedra ‘zay dingam-baovao, any amin’ny fiainana hafa! Ho iray ihany izaho sy ianao, ho fitia tsy mety voafafa. Iandraso aho, raha ho any ianao! Aleo ho fasana iray no hotambarantsika, dia ho fitia mandrakizay, tsy mba hisy fetran’isa! Ka ho iray izaho sy ianao! Iandraso aho, raha ho any ianao, fa tsy haiko ny hitalaho, higogogogo hitomany, hiangavy ny hiverenanao, ety ambony ny tany. Dia aleo koa hafoiko, raha ‘zay andro kely sisako, ka ny fasa-no porofo, manatevina ny vitako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/matimaty-foana-sa
MATIMATY FOANA SA?
RRAG
MATIMATY FOANA SA? Zendana aho nandre, fa nisy zaza maty, voafiram-bala very, tam-pitolomam-batsy! Tsy maintsy tonga hatrany i? Tsy maintsy asiana rà hosorona vao hiova, ny fihevitry ny mpitondra! Saingy iza no homelohina, raha misy miseho mahasahy, mitaingina kifafa, an’andron-drivo-doza? Mikiry maka loza, ny biby ‘zay efa romotra, noho ‘ty ola-maro, sedraina efa ho hatomotra! Dia matimaty foana, tsy nandray ny vokatra, tam-pandresen’ny tolona, efany omaly! Izao ny hafa indray, no mirehareha an-tsoratra, fa nisy rà nandriaka, sy faty tany ho any, izay vao sahy namoaka, ny fitakiana iretsy mpitondra fanjakana, tsy mihaino feom-bahoaka! Dia ao, ireo manararaotra, manao pôlitikam-petsy, satria maniry mafy, ny ady mba hipoaka! Samy diso angamba e! Ka mila mahatsapa ny hamamin’ny aina hananana, ny isam-batan’olona! Fa tsy hoe akory, hinia hifandràtra, dia avy eo hifampitaba… Hifampimonomonona! Tsy ratsy aloha ny tolona, fa mila am-pahendrena, tsy isomparan’olona, ‘zay fitakian-jo! Tsy ratsy koa ny miaro, fanevam-pirenena, fa aza hafangaro fientanam-po! Ry zandry, zoky havana! Tsy aleonareo mihavana, mifampitafa hatrany, raha misy raha tsy tanty! Ny fitakia-mitony, tsy ho foana hoe fandavana, fa mety misy koa, zavatra tsy ampy! Fa ny aina no tandrovy, fa io tsy hananam-piry! Ny aina no arovy, fa tsy anana io ka hitsiry! Fa rehefa an-drangolahy, dia sakafon-kankana, sy oli-maimbo, tia miampatrampatra! Matimaty foana sa, mba hoe nahita tombony i? Aza hitako aza, fa ianao indray no hatombony? Eh! Tena aza misy vintana, ka avy hifanameloka, fa tsy hisy hiaiky mihitsy, hoe samy olo-meloka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mila-tonga-saina
MILA TONGA SAINA NY VAHOAKA MALAGASY!
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Hono hoy aho, ry vahoaka Malagasy; maro amintsika no tsy mbola tonga saina, mora arebireby, avy eo mangasihasy, rehefa avy nobadoina, sy nampiasaina. Ny firenena malagasy, tsy rotiky ny ady; mahantra foana anefa, ary zary mandry fotsy. Ireo nantenaina, lany andro miadiady. ny ankamaroantsika efa lasa androrosy. Ilaina hobeazina isika, mba hahay hamakafaka, hanavaka ny vary amin'ireo tsimparifary. Ka tsy ho hampiesonin'ireo tompon daka; hanantena lava, eo am-piandrasana marary. Tsotra, hono, raha te hamotika firenena iray; alentika ny fanabeazany sy ny soatoaviny. Amin'izay samy bado, lasa toy ny bemiray. Ry zareo, avy eo, manjaka amin'ny hoaviny. Ny fanabeazana ihany izany no fanalahidy, hivoahana amin'ny zava-misy rehetra izao. Ianao manana talenta, efao re ny adidy, tsy hangataka andro lava, mijoroa ianao.