url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/nitsara-aho-
NITSARA AHO !!!
MAZ RAMANA
Ny fahazazako, dia lany nitadiavako... ...fitiavana ho an'ny tenako, sy fiadanam-po. Nefa ireo safidim-poko, novidiako fiadanana ? ...fotoana fohy ihany, dia nivarina ho tsiniko. Nanozona ny ho avy. Ny foko raha nangoraka an'izao tontolo izao : ...ka tezitra sy avy nanakiana fahatany ? Natahotra aho...sady nalah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/aza-miandry-ho-masina
Aza miandry ho masina!
DotMG
Ianao ve hiandry ho voky, vao 'ndeha hitady kaly, (*) Na hiandry ny ho salama, vao hiditra hopitaly? Ianao ve hiandry hadio, vao vonona hisasa Sa hiandry ho be karama, vao 'ndeha hikarok'asa? Nahoana kosa kay, ny resa-pivavahana, No angatahana andro, ilànao maka bahana? Aza miandry hariva vao handondòna lanitra, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/oroka-voalohany
OROKA VOALOHANY
Ravanondrazana
OROKA VOALOHANY Maniditsidina tsy haiko hoe nahoana? Toa mitsingevana hatrany ny tenako. Izay mba tsapaina dia rivotra: foana! Mahagonina saina, ny feo mba reako. Mampangorintsina mafy ny hatsiaka. Miakatra tampoka koa ny hafanàna; Manara-pigadon'ny onja masiaka... Manala hetaheta ny tsy ampy filàna. Manaitra,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandeha-daholo
MANDEHA DAHOLO
Fredy Jaofera
MANDEHA DAHOLO Mandeha daholo ny zava-drehetra raha velom-bolo ny dina mitoetra. Mandeha daholo ny asa mahaliana raha hita bontolo ny fitia notakina. Mandeha daholo ny hira mahafaly raha vao tontolo tsy tia ny omaly. Mandeha daholo ny deran'ny Avo raha vao nisolo ny ora nandavo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahafinaritra-ny-tany
MAHAFINARITRA NY TANY
Fredy Jaofera
MAHAFINARITRA NY TANY Mahafinaritra ny tany nodiovin'ny fitiavana fa na ny mpanambany, manetry tena goavana. Mahafinaritra ny tany tsy itoeram-pialonana fa rindra tsy hita lany tsy mba hay takonana. Mahafinaritra ny tany tsy mivoy ny disadisa fa mamy ery ny akany toy ny misy paradisa. Mahafinaritra ny tany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/tsy-vanona-ianao
TSY VANONA IANAO
Ravanondrazana
Tsy vanona ianao! Tsy vanona satria, nosomparanao ny fony. Nataonao mihitsy, ny nahababo ny fanahiny tanaty finamanana... Fantatrao izy iny, tsy mba manan'olon-tiana; Ka niantsampitsampy ilay fitia tsy fanahiniana. Ratsy saina ianao e! Satria niandrasanao ho latsa-paka ny fitiavany. Ny hamboraka rahateo tsy nan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abel-andriarimalala/lainga
Lainga
Abel Andriarimalala
Ireny voady natao ireny Dia teny. Teny ihany, ka tsy ho ela Dia ho tavela. Ka ny hany mba hiangana, Hitsangana Dia fanaovam-bazivazy No sisa hahatsiarovana azy. Mahatalanjona ahy anefa Fa efa Fantatry ny saiko Sy haiko Ny maha-lainga ireny teni- nao ireny, Kanefa kosa re nahoana No mbola iniako inoana fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-madio-no-lotoina
NY MADIO NO LOTOINA
Fredy Jaofera
NY MADIO NO LOTOINA Ny madio no lotoina amin'ny ranom-potaka : vao miteny dia disoina sy andefasana hotaka ! Ny madio no lotoina amin'ny andro iainany sy mbola hay pepoina fa kanto ny fisainany. Ny madio no lotoina amin'ny fomba rehetra fa sarotra hotompoina rehefa iny tsara toetra. Ny madio no lotoina am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fandalovana
FANDALOVANA
Hajanirina Mahavaly
Mpivahiny izaho sy ianao Eto amin'izao tontolo izao Koa samia mandini-tena Fa ny tany tsy hipetrahana ela Mandalo izao fiainana izao Manaova soa sy ny tsara Raha mbola misy azo hatao Mba hiadanana any am-para 'Ndao hifamela sy hifankatia Dieny mbola an-dalana ny dia Fa ny tanjontsika rahatrizay Handova ny tr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-zoky-sy-ny-zandry
ZOKY SY ZANDRY
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Tsaroana eto ianao ry zoky; tsaroana koa ianao ry zandry. Iray tampo nifampatoky, niara-tsy tafandry mandry. Ampolo taona no niarahana, teo anivon'ny ray aman-dreny. Fifankatiavana no nibahana; tsy hohadino mihitsy ireny. Niara-nihafy taona maro; lavi-dray aman-dreny. niara-niezaka tagnamaro; nifankahery, ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tapitra-ny-fanantenana
REHEFA TAPITRA NY FANANTENANA
Fredy Jaofera
REHEFA TAPITRA NY FANANTENANA Rehefa tapitra ny fanantenana dia hanomboka ny fitomaniana hipatrapatraka mila hafampana, n'aiza n'aiza no mba hatoriana. Rehefa tafitra ny fanantenana dia hanomboka ny fahaverezana, resaka ho azy toa mora hofafana 'reo ezaka maro izay nikelezana. Rehefa tapitra ny fanantenana di...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/diso-safidy
DISO SAFIDY
Ravanondrazana
DISO SAFIDY Rehefa tsy tiany, lazainy tsy anjarany... Na dia misisika hatrany amin'ny farany. Tsy mbola fotoana hoy izy ka aoka Samy mba hiandry fitiavana hipoaka. Fa io tonga foana n'oviana n'oviana Na dia mifitsaka eny am-pandriana. Mazàna ny bandy no mpamoha fitia, Hinoana sy ekena fa teo ny fitiavana. Anja...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-demokrasia
RAHA DEMOKRASIA
Fredy Jaofera
RAHA DEMOKRASIA Raha demokrasia no amoaha-miaramila ny seza, matokia, mbola hitsingilahila ! Raha demokrasia no fanapoaham-basy, ataoko fa minia ny hamono Malagasy. Raha demokrasia no fisamboran'olona ; vetivety dia hania fa tsy izay no tolona. Raha demokrasia no fanampenam-bava, mbola hampahia ny misy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/malala-a
MALALA A!
Ravanondrazana
MALALA A! Mba etsy kely ange... Matetika ianao mantsy, manontany foana hoe: "Inona mihitsy ary no, mahatonga anao tia ahy? dia satria nahoana...?" Ho valiako androany raha izay no mampiahiahy Ampio ry fanahy mba, hamantatra ny am-poko izay zava-misy marina, sy ireo tianao fantarina. Ka aleo tonga dia tsoriko, f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fivavaky-ny-mino
NY VAVAKY NY MINO
Fredy Jaofera
NY VAVAKY NY MINO Ny vavaky ny mino dia tsy ho very maina ; miasa eto ka halalino fa mba azo antenaina. Ny vavaky ny mino dia ren'Andriamanitra ; manova ka hamasino hisosa any an-danitra. Ny vavaky ny mino dia feno fanandratana mankalaza ka banjino ho saotra mivantana. Ny vavaky ny mino dia mitory famonje...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/izaho-tsy-iza-akory
IZAHO TSY IZA AKORY
AnjaraNivo
IZAHO TSY IZA AKORY Izaho tsy iza akory Fa singa mpampifaly amin'ny andro mampahory, Mpandrotsirotsy mavana ny fonao mba ho tony. Izaho tsy iza akory Fa afo mpanafana ny nofo mora ngoly, Mpandravona saritaka tsy hisian'ny lonilony. Izaho tsy iza akory Fa angatra voairaky ny nofo efa matory, Mpikalo ny hatsa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nitomany
NITOMANY
Fredy Jaofera
NITOMANY Andro maro no nitomany ny foko kely ratsy anjara tsy mba nisy mpanontany na nijerijery sao tsy tsara. Vola-maro no nitomany ny tontolon'ny voariko, na kanto foana hatrany sy nanova ny harariko. Taona maro no nitomany ny ainga nohamaivanina nahavonto ery ny tany vao embona sy hanina. Ratra maro no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/reny-iray
RENY IRAY
Fredy Jaofera
RENY IRAY Reny iray no nananana nefa lasa any an-koatra tsy dia hay nosakanana ka mahavaka eto loatra. Reny iray no nananana ka ketraka tampoka teo fa dia tsy azo notanana nampiranga 'rony toreo. Reny iray no nananana ka very ireo hantahanta niavian'itony fiadanana tsy natao mantamanta. Reny iray no nanana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/eny-an-tsandrinolon-kafa-no-nahasambatra-ilay-tiako
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKO
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKO Taloha zaho naniry anao mba hizarako ilay fitia Tsy nahataitra anao satria ve zaho mbola nahia Ankehitriny hary elatra aho manana ny ampy Izay ianao vao taitra namaly ny appel-ko Indrisy efa liste noir ny numéro anao Naniry aho tamin’ireny, mba ho raisinao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/antsonny-nosy
ANTSON'NY NOSY
Fredy Jaofera
ANTSON'NY NOSY Antson'ny nosy no mampisosa ny penina fa mikororosy satria ao ny be marenina. Antson'ny nosy no mampisento mangina fa voahosihosy hatramin'ireo manan-jina. Antson'ny nosy no anaovana andraikitra na 'lay lakolosy maneno fa asa raikitra. Antson'ny nosy no iantsorohana adidy raha mitositosy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/maniry-volana
MANIRY VOLANA
NY HERIMAR
MANIRY VOLANA Ny anjara tokoa mety ho voatendry, Saingy ny safidy manamafy ny lahatra; Na iza na iza voalaza ho olon-kendry, Rehefa sendra vato tsy maintsy mitsahatra. Tsy misy zazakely in-droa main-dabozia, Raha izany no manin-telo, tangeno odiloha; Raha ianao vonon-kiady sy vonon-kitadia, Aza miandry kananavo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mangina
MANGINA
Ravanondrazana
MANGINA Mangina ry boto nilaozan-tsakaiza, Ianao na maditra tsy afa-mankaiza. Miseho be saina kanefa mangaina, Sendra voadona dia velon-taraina. Mangina f'izany no atao hoe "fitia": Mahavita manetry ny hajan'ny tena. Heverinao fingana hisompatra dia, Kanefa ny toetra no mila hotefena. Mba saino monja hoe firy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maz-ramana/iny-vehivavy-iny
INY VEHIVAVY INY!
MAZ RAMANA
Efa namboly FO toy ny vony izay maniry... ...eny antokotanim-pasana iny vehivavy iny. Tsy nitsahatra nandavaka ny lomotra ao ampony, ...namongatra nanaikitra ny felany ny tsiny! Nanaratsy azy matetika Ny ankabeazan'ny olona mandalo, ...rikoriko amin'ny fihaviany. Nahay izy raha resy, ny niondrika nihetry! Fa ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/peratra-safidy-2012
PERATRA…
RRAG
Iny “souvenir”, tsiaron’ny alitara! Ny foko velon-kira, nahita ilay anjara, te mba hika mafy, haneho ny hafaliana. Satria ianao mantsy, ilay tena olon-tiana! Iny “souvenir” fitsiaro irony lasa! Dingana mamaritra, mandrefy lanjan-kasa, peratra varahina, saingy volamena. Raha ny tena lanjany, no ‘ndeha hojerena! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mamiko-ihany-safidy-2012
MAMIKO IHANY…
RRAG
Mamiko ihany nefa, miahotra ny foko! Satriny hilefa, mba tsy hanan-tompo! Mamiko f’indrisy, ny foko tsy hanantena! Ianao toy ny tsy misy, fototry ny faharesena! Nambabo ny foko, nandefy ny saiko! Mamiko ihany fa, ny fotony tsy haiko! Saingy ny fantatro, ianao tian’ny foko! Afo efa mandoro, fa tsy mba novonoiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ramanantena-safidy-2012
RAMANANTENA…
RRAG
Nofy ny anao ry zanaky ny alina, fa raha ny fananako, tsy ariako aminao. Ianao dia ho fatin’ny hatsiaka misasak’alina, handeha re mba mody, vonjeo ny tranonao! Ramanantena toa efa mba tamy, hisafo mangina ny ranomasonao! Dia izy mihitsy no hamafa tomany, antsoy izy, raha sitrakao. Nofy ny anao ry zanaky ny haiz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/m-safidy-2012
M…………!
RRAG
Voadona ny ao am-po, marary ny ao anaty! Satriko ianao, raozy tsy ho faty! Mandoro ny afon-dasa, mamery ny adin-tsaina! Ny omaly no nifafa, fa ny anio, mbola toa taraina! Maràtra ny fitiavana, rava ny finoana! Isika tsy afaka hihavana, anaty fo misaona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-nofinofy-safidy-2012
RAHA… NOFINOFY!
RRAG
RAHA… NOFINOFY! (SAFIDY: 2012) Raha ny fo no avela hiteny, dia tapenana ny vava, ka ireny lasa ireny, sisa tsiahy ny efa rava. Saingy mbola azo atao, ny mampitsiry azy ireny, dia hovoleko izaho sy ianao, hatramin’ireo teny, toky maro vita, tanaty nofinofy! Raha ny tsiny no tsy misy, dia ny lanitra no tany, nefa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/satriko-safidy-2012
SATRIKO…
RRAG
Raha mba omen-tsafidy, ny hitady filasiana, dia ny hany sarobidy, ny anilanao ry tiana! Ka satriko ny ho eo, eo akaikinao, ny foko sahy haneho, hoe: “Tena tiany ianao!” Raha mba omena zo, tsy asian-tsakantsakana, dia haneho ny fo, fa ianao ‘lay tena namana, tsy mba niravi-tanana, nizoga vesa-po! ny akinim-piadan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/safidy-safidy-2012
SAFIDY…
RRAG
Fony ianao tsy fantatra, tsy hita ho antsoina, dia efa tian’ny foko, tsy foiny hosoloina, na dia tsy voavoatra, tsy mbola vita rafitra, nahandry anao ny foko, nahavita ny niaritra! Safidy ianao, fa tsy an-tery, tsy novozonana holanjaina, fa sedra iray mahery, fa zary hantahanta, tsy lefin’ny feriko, ‘lay fahazaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-dia-safidy-2012
NA DIA…!
RRAG
Tsy misoritra amin’ny teny, na mifamatotra amin’ny soratra, ireo lasa, misitery, ràtra entim-po mangoraka! Tsy voafaritra nialoha, na voafatran’ireo toky, ny tena alalin’ny fo, ‘lay voavetso anaty boky! Na dia izany kosa aza, misy fetra toy ny aina, toy ny sento efa ho lava, toy ny fakan’ny taraina, ny tahi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/diary-safidy-2012
DIARY…
RRAG
Indraindray ianao mandinika, ireny lasanao ireny, ny am-ponao mibitsika, ireo diary toa miteny, miangavy hanova pejy, hanadino ny tantara, mba hiaiky izay ho tendry, ary hiazona ‘zay tsara. Navadibadika ny kasa, hitamberina eto anio, iny ilay diarin-dasa, tahiry sisan’ny tadio! Tsy ho voafafa intsony anio!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/r.r.a.g-safidy-2012
R.R.A.G…
RRAG
Raha meva toa anjely, ny endriky ny zanako! Raozy afa-jery, no haingon-davarangako! Azoko handravonana, ny safidy hananako! Gadra mba ho hahafahako, hanolotra ny tanako! Raha sento sy tomany, no eny an-tavanao! Rivotra mandalo iny, fa tsy hitoetra ao! Afaka hatrany, ho toham-pandrosoana! Gejan’ny omaly io, nahoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jamba-ny-maso-safidy-2012
JAMBA NY MASO…
RRAG
Ny bika aman’endrika, meva sady kanto, no tsapam-po nandrendrika, nanova ny ranto, nahajamba ny maso, nampitondra ankaso! Ny toky fitapitaka, fanaon’olo… adala, miary marim-pisaka, nafenina tsy ho lala, nanampina ny maso, tsy hijerena irony lasa, fitia niahy natsatso, sisa no nivala, namefy tsy niala! Ja...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-fitia-tsy-hisy-mpandray-safidy-2012
RAHA MBOLA FITIA TSY HISY MPANDRAY
RRAG
RAHA MBOLA FITIA TSY HISY MPANDRAY (SAFIDY: 2012) Nafafy ny voa, tsy nisy ny naniry. Navoly ny fo, fa tsy mba nitsiry. Hatraiza anefa, ny fanantenana? Toa toy ny nofy, ka maty tanteraka, ilay hazavana, nama-mpitosy! Raha mbola fitia, tsy misy mpandray, dia aleo very dia, doroy any ho may. Aleo entin’onja, hand...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-toa-safidy-2012
RAHA TOA…
RRAG
Raha toa omena lanja, ny toky efa vita, dia mety tsy hisy angamba, hamerana ny ditra. Fa avy hatrany aho, hamarana ny lasa, mba tsy noho ianao, dia hihombo indray ny ràtra. Ka raha mbola misy any, afaka mizara, dia iangaviako hatrany, ny am-ponao ry malala. Hamenoako banga, tsy feno tamin’ny lasako, handevenako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/avy-aminao-daholo
AVY AMINAO DAHOLO…
RRAG
AVY AMINAO DAHOLO… Tomefy adin-tsaina, tsy haiko famafana, ny atin’ity foko, ry Raiko tsara indrindra! Rera-mitaraina, mihibo-pahajambana, ny tenako sy ny aiko, ka ialako tsiny indrindra! Ny tananao ry Tompo, no tohana iandrasako, sy tady hisintona ahy, tsy hianjera an-dava-dalina! Ny vavaky ny mpino, no tosiky ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiany-ianao-safidy-2012
TIANY IANAO…
RRAG
Tiany ianao fa saingy, mbola toa tsy sahiny! Tiany ianao fa saingy, mbola ahiahiny! Sao ianao hivadika, hiova lasy vao, ka hanindrona azy ambadika, hanery ny fony hitalaho! Tiany ianao fa saingy, ny hitia anao tsy sahiny! Tiany ianao fa saingy, miahotra ny fanahiny! Menatra ny hanipy resaka, sy hitafa aminao, ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indraindray-safidy-2012
INDRAINDRAY!
RRAG
Valin’ireo firarian-tsoa nataon’ireo tapaka sy namana tamin’ny fitsingerenan’ny taona nahaterahako! Tsaroako ireny saingy indrisy, nofiko ihany toy ny lasa. Nitady aho fa toa tsy nisy, toy ny irony efa nahazatra. Raha holaviko ny tolotra, moa hahazo aho vaovao? Nefa eto koa ny molotra, te mba hisaotra anao. Fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tano-fa-voady-safidy-2012
TANO FA VOADY…
RRAG
Atolotra manokana ho an’i Fidelys & i Noly. Avy amin’ny mpikamban’ny “Club UNESCO-FTMM Moramanga” rehetra. Ny Tompo anie hitahy sy hiaro ny tokan-tranonareo! Dia ho fifaliana ny anio, ary ho fahasoavana ny andro sisa. “Sambatra ianao fa nahavita niroso, naharesy ny tahotra, nahaorina akany”. Arahaba no indro afafy, mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-alim-pahanginana-safidy-2012
NY ALIM-PAHANGINANA…
RRAG
NY ALIM-PAHANGINANA… (SAFIDY: 2012) Raha ny alim-pahanginana, no lazaina fahoriana, dia ny akanim-po sahirana, no hilanja fijaliana. K’izay maraina hiposaka, dia ho rakotra haizina, fa fonja iray voatokana, voalahatra ho famaizana. Raha ny zaza mitomany, no teren’ny tendry hangina, dia hangina toy izany, irony ki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manofisa-safidy-2012
MANOFISA…!
RRAG
Manofisa anio alina, dia mba asivo ahy! Manofisa lalindalina, fa aza hadinoina aho. Mba tsarovy na dia indray, mitsiaro aza! Na dia nandoro nahamay, irony lasan’ny tantara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misaotra-safidy-2012
MISAOTRA…
RRAG
Mankasitraka anao, misaotra ihany koa, tamin’izay natao, ka vokatry ny fo. Ny lanitra io hamaly, ka hanolo-boninkazo, amin’ny felany miavaka, tsy mety malazo. Mankasitraka, misaotra anao mialoha, amin’izay tosika, tsy maintsy hatorakao. Fa iny sombin’ny aiko, mba tiako hanan-tsoa, eo mba raiso-tanana, fa aza ahi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/androany-2
ANDROANY
Fredy Jaofera
ANDROANY Androany, niserana 'lay endrikao taloha ka nahabe fitserana, na vetivety aza moa. Androany, nitosaka 'reo ora nisentoana ka tsy afa-niposaka ny vazom-piravoana. Androany, nibahana 'lay onjam-pitiavana tsy mba nivavahana na isan'ny finiavana. Androany, nivolana ny aingan'ny fahiny rakotra ohabola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eny-ianao-safidy-2012
ENY IANAO…
RRAG
Eny ianao mitazana, manarangarana fijery, ‘ty fo iray mitavana, fitiavana efa very, mamisavisa lalina, ka misento sy mitsetra! Injay mandalindalina, ‘lay fery tsy voafetra. Eny ianao mitsiaro, mangina miandry sy vetso, irony fo ‘zay mahatsiaro, dia mievona misento. Mivavabavaka eny foana, sy mangata-pitahiana, n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/i-dadabe-sy-i-nenibe
DADABE SY NENIBE
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Tena tsaroana ankehitriny, mitamberina ao an-tsaina, ohatra ny omaly ny fahiny, ny raibe sy renibe, lalaina. Dadabe sy Nenibe nitampify; eny anelanelany eny, nanao ho misy ny tsy misy, ny fisotroan-dronono kely. Dadabe sy Nenibe, misaotra, tsy nanadino ireo zafy; ny fitiavanareo tafahoatra, niezaka tsy nampi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saoly/sain-davitra
Sain-davitra
Lemady
Raha tsapanao mandreraka ny hazakazaky ny tany ka manomboka mahafanina ny fihodiny isan'andro, Mijanóna kely hilaozany ny hariva maty masoandro fa ho avy haka anao ny vola-tsinankerinandro rehef'izahay azon-dohan-tory. Hitondra anao an'habaka, Hitazan-davitra tsy hiamboho, ny hazavana sy ny haizina nifampiz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iriko-nofy
IRIKO… NOFY…
RRAG
IRIKO… NOFY… Iriko mba tsaroana, ‘lay nofiko omaly. Iriko mba vonoina, ‘zay fery nampijaly. Ka mba tsaboinao, ry nofin’ny aliko iny. Ny fon’ilay raozy, mbola mpivahiny an’efi-tranonao. Iriko raha kaloina, horen’ny sombin’ny aiko, ‘lay hiranao ry nofy, anio misasak’alina. Tiako hovetsoina, saingy toa tsy haiko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/f-a-n-i-l-o
F A N I L O
AnjaraNivo
FANILO Maizina hono ny lalan-kombàna? Amiko tsia, Matoa tsy hitanao izany fahazavàna, Dia mety satria: Tsetsetra fotsiny no hoetinao miaina Sy mandia izany Ka rariny ianao raha ho sasa-taraina Tsy roa aman-tany. Ny fo sy ny saina sy ny hery, fanahy: Ireo no fanilo, Ka 'reo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anio-safidy-2012
ANIO…
RRAG
Anio raha sitrakao, aleo hiteny indray, hiteny indray ny fo, na tsy ho izao dia ‘zao, dia andraso kely aloha. Anio toa ora tokana, tsy sarotra hitàna, hahafahany mamboraka, ‘zay tena hafanana, tiany havoaka, ho ren’ny raozy dia, ‘zay efa toa miandry, miandry ilay fitia. Anio raha ekenao, aleo haborako eto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/satria-tiako-ianao...-2021
SATRIA TIAKO IANAO...!
RRAG
Raha manelingelina ny masonao ny tavako dia aza asiana jery! Raha manohintohina ny hevitrao ny vavako dia aza avela hiteny! Raha atahoranao handràtranao ny tanako dia ahiliho hiala! Raha koa mety hamono ny anaranao ny anarako dia asio famafana! 'Zay sorisorinao aleo hiantoraka amiko hamafa ny hatezerana! Ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/stia/mianara-ihany
Mianara ihany
S'tia
Raha mbola misy manabe Raha mbola misy ny miantoka Dia milofosa be dia be Fa ny fiainana io no antoka Aza arianarina ny fotoana Aza lalaovina ihany koa Fa raha tafita eo anoloana Ny fahaizana ,vokatsoa Ny redraredra moa mandalo Fa ny ora mandeha ihany Ny fahabadona no fahavalo Raha mbola miaina eto an-tany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/stia/teniko
Teniko
S'tia
Izao no teniko Teny kely fiantombohana Teny gasy teny mamiko Toy ny rano ampatsakana Teny gasy andrianiko Toa tsy mety lany amamina Nolovaiko t@ razako Teny gasy mahaliana Teny gasy tenin-drazako ~S'tià~ ¥anosivavaka¥
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jery-farany-safidy-2012
JERY FARANY…
RRAG
Jery faramparany sendra mba nitopy, nangalatra nitazana ny masonao nijery ahy. Ny fitiavana nomeny no efa mba nafoiko, saingy indrisy ny natolotro, tsy nasianao raharaha. Jery farany famono fanantena, kipy masokelin’ny toki-pandresena! Kinanjo fingan-tsy nampoiziko, fa ny fitiavana tanaty, no zary ngidin-todiko....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toy-ny-raozy-ianao-safidy-2012
TOY NY RAOZY IANAO…
RRAG
TOY NY RAOZY IANAO… (SAFIDY: 2012) Topazana maraina, fa haingon-jaridaina, mamela-mavokely, bikàna toa anjely. Toy ny raozy ianao, meva sady kanto, ka toa tsy foy mihitsy, fa miendri-bikan-dranto. Toy ny raozy ianao, naman’irony lisy, noho izao tontolo izao, dia efa tady ho dify. Toy ny raozy ianao, tsara nefa i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/di...-rahaingoson-henri/zanakiza-moa-ireny
Zanak’iza moa ireny?
Di... (Rahaingoson Henri)
Zanak’iza moa ireny Hitanao mameno tsena Sao “ankizy dia” manjeny Fanetriben’ny firenena ? Zanak’iza moa ireny Hitanao isa-maraina Toa mivenjy fotsiny eny Ankizy adala sa malaina ? Zanak’iza moa ireny Avy taiza no nivoahany Nisintaka ny tranon-dreny Hiaina izay mba fahafahany ? Asa lahy, asa kosa Ary sao d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izay-tokoa-ve
IZAY TOKOA VE?
RRAG
IZAY TOKOA VE? Raha penin-tsy hikorisa an'alim-pahanginana, tsy lany ranomainty fa efa resin'ny ady! Tolefika alahelo nianjera teny am-panidinana, mitokon-tsy hisosa fa trotraka sahady! Izay tokoa ve? Sa ny ainga no matory? Na mbola mitolefika an-tsetrasetram-piainana! Sinaingy fanahy toa resin-tory, asa angamb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-mangina-safidy-2012
AZA MANGINA…
RRAG
Notinerena tsy hiteny, novozonana hangina. Tapena-maso tsy hijery, ny tsikitsikin’olon-tiana. Dia aza mangina! Sokafy ny vava, aleo ny am-po, mba hiezaka ny hilaza, ‘zay tiany hambara. Fa mba henoy tsara, ‘ty fibadan-dela, manahy ny hoterena. Aza mangina, anoloan’irony fery! Aza variana, ny miaina mitsianjery, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rainazy
RAINAZY
Fredy Jaofera
RAINAZY Aza mamaly faty fa ny mpanao ratsy dia ho potika ho azy fa tapitra teo ny vatsy sy hita fa lasa rainazy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-anako-iny
INY ANAKO INY…
RRAG
INY ANAKO INY… Io dia mba topazo, asio maso ihany! Mba jerijereo, raha sendra mitomany! Io dia mba tambazo, tolory safosafo! Aza avela halazolazo, lemen’izato ankaso. Iny anako iny, felan-tsy mbola maina, omeo izay iriny, fefeo ‘lay nantenaina. Dia ilay fitia, tsisy izay takalony, ka tsy ho iny sanatria, no zar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-salovan-tavanao-feno-ranomaso
‘LAY SALOVAN-TAVANAO, FENO RANOMASO…
RRAG
‘LAY SALOVAN-TAVANAO, FENO RANOMASO… Ry aiko, ‘ty tavanao mando, noleman-dranomaso, nisolitika naloto, tsy nisy famafàna. ‘Ty ràtram-perinao, nondesin’ny ankaso, narary fa nihafiana, fa hola-pahazazana. ‘Lay salovan-tavanao, feno ranomaso, mari-pahatsiarovana, irony ferinaina. Ireny akanjonao, kotsan-dranomaso, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dina-safidy-2012
DINA…
RRAG
Ho anao ry sombin’ny aiko, ho anao no handraketako, ho anao ‘zay nolalaiko, no indro handrafetako, ‘ty dina feno toky, atao tahirim-boky. Ho anao ‘zay manantena, valin-kafatra amiko, miandrandra fandresena, anivon’ny tomaniko, mino ny ho tafita, an-dalana tsy vita! Ho anao no nivavahako, tamim-po mangina, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yromy-ravelo/miangavy-fitia
MIANGAVY FITIA
YRomy RAVELO
***MIANGAVY FITIA**** Koboniko tsy tana ilay fo. Te hanontany foana hoe aiza Tehiriziko tsy zakako Ilaviko tsy lefy ilay mitia Tsy vao omaly fa hatrizay. Adala tokoa moa ny fo Sahirankiram-poana Tsy te alala izay hanjo Fa ny tiany dia tiany iany Tsy sasy hibabo ilay tsy tiany. Ka ny manta vary aza. handeven...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yromy-ravelo/alanorana
Alan’orana
YRomy RAVELO
****Alan’orana****** Malama maina ny tany Ka sarotra aleha hatrany, Mamisimpisina ny andro Manerika toa maloka. Misy feo re heny anala Manakoako,toa tsy re, Mikirintsona feo mafatifaty, Dia ny ravin’ala sy orana miady, Tsy tian-kijanona ho re ety an-tany, Nefa indrisy mantsy mankaleo Fa DIBO-DRANO NY AO ANTA...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-vehivavy-ve
Ny VEHIVAVY VE?
NY HERIMAR
NY VEHIVAVY VE? Lazain'ny Ntaolo fa fanaka malemy Kanefa izay azony milavo sy manjeny; Vehivavy manahirana saro-takarina, Im-pito solafaka fa mbola miarina. Ekeko tokoa fa loharano nahatafita, Sy Haingon'ny Voary fitaratra vita Kanefa mihitsy saka mamony hoho, Milaza tsisy tsiny mandripaka akoho. Efa maro ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/zava-mahery
ZAVA-MAHERY
AnjaraNivo
ZAVA-MAHERY Zava-mahery tsy resin'ny fony Ny zavatra mihatra amin'ny ainy satria: Matevim-pisoko sy sarotra hatony Hono ny haratsian-tsain'ity fiainana ity. Tsy mbola olombelona vonon-kiarina Anefa raha 'zany no mby ao antsaina, Aiza ity lalana mbola hotratrarina No eto sahady dia sasatra miaina? Tsy ho voarav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malagasy-firy-
MALAGASY FIRY ?...
Fredy Jaofera
MALAGASY FIRY ?... Malagasy firy no mitady sy maniry hanam-piainan-tsambatra amin'ny fo tsy miangatra ? Malagasy firy no milofo sy mikiry ny ho voky sesehena sy ny hoe : hanankarena ? Malagasy firy no mihafy sy miziry ny tsy mety miasa maina na ho resy tsy hay lazaina ? Malagasy firy no be nofy makadiry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/diso-fahavalo
DISO FAHAVALO
Fredy Jaofera
DISO FAHAVALO Diso fahavalo ny fanjakana fa tsy dahalo 'zay norarana. Diso fahavalo fa nandrahona ka nampimalo, na efa vahona. Diso fahavalo fa nosakanana 'zay mpandalo nila fiadanana. Diso fahavalo fa 'rony tatitra, nampihalohalo ka tsy niaritra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-maty-dia-fanahy
NY MATY DIA FANAHY
Fredy Jaofera
NY MATY DIA FANAHY Ny maty dia fanahy mihaodihaody eny mpiaro ka mitahy antsika lavareny. Ny maty dia fanahy mitari-pahendrena toa mba mahasahy manova ny tena. Ny maty dia fanahy manilo 'zay diavina rehefa azon'ahiahy sy toa tsy tiavina. Ny maty dia fanahy hajaina eto an-tany mandefa ny tsiahy mizotra m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/hono
HONO
AnjaraNivo
H O N O ? Hono ry fasa-mampody ho tany, Mba firy ny sento nindaosinao any? Nindaosinao any tsy nisy fihatràna, Kanefa tsy anatin'ny didy, lalàna: F'ianao manan-jo haka an-keriny ireny Fanahin'ny potraka sy ny malemy, Ny nofo marefo tinaizan'aretina, Vatana kely madio tsisy pentina, Ny vokin-traikefa an-taonany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/impiry
IMPIRY?
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
IMPIRY? Ray ô! impiry hitalaho sy hitaraina an-dranomaso izato zanakao vao handresy ireo ankaso? impiry handohalika hibebaka sy hifona raha tojo ny ady sarotra ka handà ny fanompoana impiry hanolo-tena manoloana ny alitara ka tsy hivadi-panekena hitory sy hizara ny filazantsara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsirom-piainana
REHEFA TSIROM-PITAHIANA
Fredy Jaofera
REHEFA TSIROM-PITAHIANA Rehefa tsirom-pitahiana no hisy amin'ny tenako dia hahalala fijaliana ny olo-nanenenako. Rehefa tsirom-pitahiana no hitobaka amin'izay dia hahazo fahoriana 'reo nilaza ho mahay. Rehefa tsirom-pitahiana no handoko ny tontolo dia ho tojo fihafiana 'reo nifosa daholo. Rehefa tsirom-pit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/ankehitriny
ANKEHITRINY
Lahatra Natiora
ANKEHITRINY Nifanena foana isika Isan'andro, isan'ora Saingy mbola nangatsika Ilay fitia toa feno akora Ankehitriny dia mitsiry Ilay fitia tanaty foko Ka manjary te hikiry Hanoratra azy ho velon-doko Ankehitriny koa anefa Tiako ho foana ato anatiko Ndrao ho diso fiantefa Ity foko ka tsy ho tantiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/m.j.f/coron
CORONÀ
M.J.F
Corona,corona Le virius netim-bazah Virius kely mitana basy Mitady andripaka ny malagasy Navoaka polisy sy ireo zandary Ny miaramila aza toa marary Nandripaka olona marobe Hatram pastera sy deputé Nisotroana tambavy CVO Voasary makirana iray scio Fa tsy hitako akory izay iafarany Fa ny confinement toa mitomb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/manaova-ny-marina
MANAOVA NY MARINA
Lahatra Natiora
MANAOVA NY MARINA Manaova ny marina ombam-pahendrena An-tsitra-po, tsy mba terena Fa ny marina atao tsy ho faty na oviana Hiotazan-tsoa rehefa any aoriana ! Ny manao ny marina, tsy zava-mora ; Ao ny tsy faly sy 'reo mpanakora ; Ka aoka tsy ho kivy na maro mpanenjika, Fa ny olo-marina tsy mba ho rendrika. Koa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainampaniry-anjara-nivo/aboraho
ABORAHO
AnjaraNivo
A B O R A H O Ny nofy anatinao? Tsy misy fiantombohany io, tsy misy fiafaràny; Fa fotsiny venteso toy izany ataoko izany; Raiketo mba ho lasa ampahan-tononkalo; Kanefa koa fantaro Fa ny nofinofinao, Ny vinavinanao Amin'ny andronao ho avy Dia anao samirery. Aza aboraboraka fa maro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/mitrak-ry-gasikara
MITRAKÀ RY GASIKARA
Lahatra Natiora
MITRAKÀ RY GASIKARA Ô ry Nosy manirery Mijoroa ka mitrakà Aza ilaozanao miery Maro no mba te hizaha Ireo ranomasina mpamefy Manamafy ny hatsarany Ary ny alanao mirefy Manatsara ny tantarany Ireo hakantonao fahiny Mbola tiako hojerena Na dia hita ankehitriny Fa niova, ô ! Mahonena Na dia niova aza anefa Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/m.j.f/ho-tokam-po-ho-anao
HO TOKAM-PO HO ANAO
M.J.F
Any ianao rahavako 'Lay tiako sy lalaiko Mitempo ho anao ny foko Misento anao ry aiko Raha ny elanelantany Tsy haharava 'lay fitiavana Indray andro any Mbola hihaona isika rahavana Ny fitiavako tsy ho ritra Fa hitombo atrany atrany Ho doria ny @tsika Fa tsy hoe hatreo ihany Matoky anao zah vadiko Fa ho hen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ho-entiko-am-bavaka...ny-fiainako
HO ENTIKO AM-BAVAKA...NY FIAINAKO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
HO ENTIKO AM-BAVAKA...NY FIAINAKO Tompo o! moa va ahatahotry ny loza aho raha mba manampikasana ny hanam-pandrosoana? tsapako fa any ho any misy manampaniriana te hanimba ny tontoloko misy hery miafina te handrombaka ny fiainako ary te hisompatra izay mety ho anjarako Ray o! izany rehetra izany no hitalahoko A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lefona
LEFONA
Fredy Jaofera
LEFONA Lefona ny vava ka mba fepero fa mpandrava sy misy afero. Lefona ny fosa ka sakantsakano tsy mba hisosa sao re angano. Lefona ny latsa ka mba aleveno sao tsy ho patsa ka dia ambeno. Lefona ny vely ka ilaozy aloha, tsy marary kely fa ngeza tokoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mandry-ny-eritreritra
TSY MANDRY NY ERITRERITRA
Fredy Jaofera
TSY MANDRY NY ERITRERITRA Tsy mandry ny eritreritra ka avoaka ny hevitra feno fandotoana, feno fanesoana fa tsy namampo 'zay zava-nanjo nidona tampoka ka dia niantoka : nigoka ngidy fa safidy ! Tsy mandry ny eritreritra ka manjary mora tezitra fa injao manenina, na mody afenina 'reo ratsy vita, tsy naha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fierenana
FIERENANA
Fredy Jaofera
FIERENANA Raha mbola fierenana no mahamaika azy ireo dia tsy hisy fanarenana ny tanintsika ka vonjeo. Raha mbola fierenana no ilofosany isan'andro, tsy ho hainy ambenana ny krizy be antoandro. Raha mbola fierenana no asa foana ifotorana dia tsy hisy fiverenana 'zay very mahatorana. Raha mbola fierenana no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/m.j.f/tiako-ianao
Tiako Ianao
M.J.F
Ianao ilay faniriako Ianao ilay tena tiako Ianao ilay tena tsara Ianao ilay mahatara Efa ela no nahitako vehivavy Fa aminao aho nahita faka vady Faniriko de ho mandramaty Ka na maro resak'olo zah mahatanty Tena tiako ianao ka tsy azoko afenina Zay angamba no azoko tenenina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-zaka-ny-marina
TSY ZAKA NY MARINA
Fredy Jaofera
TSY ZAKA NY MARINA Tsy zaka ny Marina dia avoaka ny tafika fa tsy tiana hitarina ka indro manafika. Tsy zaka ny Marina dia tsy avela hijoro, na inty tsy tafarina ny tany fa mikoro. Tsy zaka ny Marina dia tsy avela hiteny ny mponina farina sy noana ombieny. Tsy zaka ny Marina dia ambara fa lainga 'zay hoe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/hoy-ianao
HOY IANAO ...
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Hoy ianao, tsy mba taitra, raha mangina aho misaina; amin'ny feonao manaitra, tohina aho, tsy mitaraina. Hoy ianao, vao maraina, tsy mba henoko akory; ny ferinao nanaintaina, izaho nidaboka, natory. Hoy ianao : “tsy mijery!” Adinoko ny tokony hatao. ‘zato teny toa manery, valin-teny izao dia izao. Hoy ianao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ity-fahotako
ITY FAHOTAKO…
RRAG
ITY FAHOTAKO… Indrisy ry fiainana be siasia, ity fahotako! Toa neni-mandatsa ny foko nitia, ilay fahajambako! Nilaozako mantsy, ‘lay hany olon-tiako, fa tsy mba ninoako! Vavan’ny hafa, no nomeko lanjany, fa tsy ny fitiavany! Ity fahotako! Hoentiko ho aiza, izato nenina, manarona ahy? Ny efa vita tsy hiverina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-feonny-fanantenana/ilay-tovovavy-nofy
Ilay tovovavy nofy
Ny feon'ny fanantenana
Afak'afaka aho mahita Tovovavy iray Izay tena tsara bika tsy misy mahasolo azy izay Ny endriny sariaka Ravahan'ilay volony goragora Toa masoandro mibaliaka ilay fitsikiny miantefa moramora Tsy iza kory izay Fa ilay tovovavy tao anaty nofiko tao Izy ilay niriko ho ahy Indrisy nofy no azo atao Nefa izaho mana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/maninona-boy-aho
MANINONA HOY AHO?
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Maninona hoy aho, no tsy mety mandroso, ity Firenena manankarena, tena lasa androrosy? Mahatonga saina lalina ny mandinika izany, satria efa lavo, eny mitrosina amin'ny tany. Maninona hoy aho, izay nomena fahefana, niova sy nivadika, ny nanohana no dakana? Fihetsik'amboadia mitafy hodi-janak'ondry; ka ilay saf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-misy-haniry
TSY MISY HANIRY...
RRAG
TTsy manan-kambara intsony aho! Aleo ny fanahy indray no hiresaka hanao veloma azy farany na dia aty ilavitra aty ary ny tenako! Mandria am-piadanana Andriamatoa tale (RANDRIAMANANTSOA Jean Paul André, 15 Febroary 2021)! Talen’ny sekoly izay nakan’ny ten any mari-pahaizana lisansa. TSY MISY HANIRY... Raha ny ao an-ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-feonny-fanantenana/masoandro
Masoandro
Ny feon'ny fanantenana
Ilay masoandrom-piainantsika Nantenaiko hibaliaka Toa nanjavona tsy hita zary toa tantara sisa Fa ny foko izay nijaly sy nirotsaka tomany fijaliana eto an-tany hakiviana toa tsy lany nefa any indray andro any mbola hisava ny tomany ka ho volana baliaka ilay masoandrom-piainantsika dia lasa ianao nandao la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tairinao-ny-foko
TAIRINAO NY FOKO
Fredy Jaofera
TAIRINAO NY FOKO Tairinao ny foko, ry mpandalo vetivety, ka mampisoko fitia ange raha mety. Tairinao ny foko ka midobo-pifaliana sy te handoko 'reo nofy tsy zoviana. Tairinao ny foko ka mientana tokoa, dia mampitoko hetaheta ihany koa. Tairinao ny foko ka te hanaraka avy fa mba tsy foiko matoa re mianga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sanatria-kosa-aloha
SANATRIA KOSA ALOHA…
RRAG
SANATRIA KOSA ALOHA… Sanatria kosa aloha ny hilady aminao ry olon-tsy tia! Ny foko tsy hitamby amin’izay natataon’ ny ràtram-pitia! Sanatriaviko mihitsy ny hanozona anao raha tsy sila-panahy! Vetso miampita no hany azo atao hampifohan’ilay, aingam-panahy! Sanatria ny hitomany andro aman’alina fa nilaozanao! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ilaina-ny-hafa
ILAINA NY HAFA
Fredy Jaofera
ILAINA NY HAFA Ilaina ny hafa hahafantarana ny tena matoa mitafa etoana tsy hay fefena. Ilaina ny hafa ka aoka tsy hofosaina tsy hampijafa ny adidy izay efaina. Ilaina ny hafa ka aza hamaivanina fa tia namafa ny lasa ka nentanina. Ilaina ny hafa rehefa singan-drery toy ny sahafa tsy misy mba mijery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anaka
ANAKA...
RRAG
Arahabaina ‘kia zanako a! Mirary fety sambatra ho an-drỳ aho amin'izao fitsingerenan-taona nahaterahandry izao... Mitomboa fahendrena sy fahaizana ka ho tojo izay irina sy kinasa! Ho tahian’izy Tompo! ANAKA... Raha misy ifoforan’ny Ray sy ny Reny, dia ianareo zanaka! Ireny tabataba miary teniteny, no endrik’anatra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kisarisary-fotsiny
KISARISARY FOTSINY...
RRAG
Ny datin’ny 14 febroary 2021 dia hijanona ho isan’ireo andro sarotra hohadinoina eo amin’ny fiainantsika roa (RABEMANANTSOA Anah Fisainana). KISARISARY FOTSINY... Kisarisary fotsiny ny endrika ivelany, fa ny ao am-pontsika no fetran'izy ireny! Tsy voatery ho marina izay lazain'ny lelany, somary nisy sira sy sarisa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vetavetainy
VETAVETAINY….
RRAG
VETAVETAINY…. Vao avy nivaro-pitiavana aho omaly, fa tsy mba nahita ny tombony akory. Dia niezaka ery ninia nampijaly amin’ny fitafy tsy maontina ambany sy ambony. Ny tenako foana no resin’ny hatsiaka izao dia ngoly tsy misy azo raisina! Izay minitra roa, eny dimy dia vita no ihafiako fanala mampitondra faisana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-haiko-ny-handeha
TSY HAIKO NY HANDEHA
Fredy Jaofera
TSY HAIKO NY HANDEHA Tsy haiko ny handeha raha tsy voambara ny tsapako aminao fa mampirehareha ka mety ho tantara halaza ao ho ao. Tsy haiko ny handeha raha tsy voasoratra 'zay momba antsika, hoy aho ka maneke fa tiana hamokatra ny ainga tsara dika. Tsy haiko ny handeha raha tsy ho voatonona ireo mbola t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iandraso-aho-raha-ho-any-ianao
IANDRASO AHO RAHA HO ANY IANAO…
RRAG
IANDRASO AHO RAHA HO ANY IANAO… Raha fiadanana tsy ho hita, no hoe hamoizako anao, dia aleo koa samy vita, miaraka amin’ity tolonao, ny fiainako eto an-tany, fa tsy ho zakako ny hitomany! Ka iandraso aho, eny iandraso aho, raha ho any ianao! Iandraso aho, raha ho any ianao, fa tsy ho tantin’ny saiko mihitsy,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/matimaty-foana-sa
MATIMATY FOANA SA?
RRAG
MATIMATY FOANA SA? Zendana aho nandre, fa nisy zaza maty, voafiram-bala very, tam-pitolomam-batsy! Tsy maintsy tonga hatrany i? Tsy maintsy asiana rà hosorona vao hiova, ny fihevitry ny mpitondra! Saingy iza no homelohina, raha misy miseho mahasahy, mitaingina kifafa, an’andron-drivo-doza? Mikiry maka loza, ny b...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mila-tonga-saina
MILA TONGA SAINA NY VAHOAKA MALAGASY!
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Hono hoy aho, ry vahoaka Malagasy; maro amintsika no tsy mbola tonga saina, mora arebireby, avy eo mangasihasy, rehefa avy nobadoina, sy nampiasaina. Ny firenena malagasy, tsy rotiky ny ady; mahantra foana anefa, ary zary mandry fotsy. Ireo nantenaina, lany andro miadiady. ny ankamaroantsika efa lasa androrosy....