url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aiza-ireo-karenjy | AIZA IREO KARENJY? | RRAG | Karenjy, mampatsiaro ny fahiny ilay fiara mitondra ny famantarana hoe « Zebu » na « omby » hoy ny Malagasy. Isan’ireny ny afovoan-tany ny taona 1985 hatramin’ny 1993 nandritra ny fitondrana sôsialista. Rabearivelo Andriamalagasy, « Ingénieur polytechnicien » no namorona izany. Isan’ireo olona akaiky sy tsy nivadika tam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-very | FO VERY... | RRAG | “Ho anao mandrakizay”. Tratry ny fetin’ny mpifankatia malala a! (“Être à toi pour toute la vie”. Joyeux saint valentin mon coeur!). A & A
FO VERY...
Fo very mitady ny tiany,
miantsa 'reo hiram-pitiavana!
Mpitoetra fa tsy mpivahiny,
tena namana sady toa havana!
Fo very mitady sakaiza,
nahita ka tsy nahafoy!
Kane... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jinery...-2012 | JINERY... | RRAG | JINERY...
Ilay jinery indray mitazan’ilay masoko nitily.
Ianao ‘lay diso lalana, nefa mbola injay nivily,
tsy nahita ahy, fa diso toa variana!
Mety mbola mahatsiaro, an’ilay olon-tiana.
‘Lay antso indray nitoraka, tsy ren’ny fo nangina.
Nanaitra fo natory, novesaram-pahoriana.
Ka any toa variana, nisaona fa tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/noho-ny-zanako | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-mitaky | REHEFA MITAKY | Fredy Jaofera | REHEFA MITAKY
Rehefa mitaky ny mpiasa
'zay karama fa tena mila
dia atao foana ho lahasa
ny mamoaka miaramila.
Rehefa mitaky ny olona
ny zony mba tsy ho dila
dia tsy ilainy hitolona
ka amoaha-miaramila.
Rehefa mitaky ny maro
'zay rariny tsy mitanila
dia tsy mba mahatsiaro
ka amoaha-miaramila.
Rehefa mitaky ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ianao-no-ilaiko | IANAO NO ILAIKO | Fredy Jaofera | IANAO NO ILAIKO
Ianao no ilaiko
amin'ny fiainana,
mbola antenaiko
rehefa itarainana.
Ianao no ilaiko
amin'ny tanjona
raha toa lazaiko
fa tsy mpianjona.
Ianao no ilaiko
amin'ny sarotra
rehefa tsy haiko
ny hiady varotra.
Ianao no ilaiko
amin'ny diavina ;
tsarovy, lalaiko,
ka aza lavina !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/tiako-ianao | Tiako ianao | Nofy2 | Na maro aza no tsy tia ny fiarahako aminao
Ka milaza izao sy izao
Tsy mampaninona izany, tsy ataoko mampanahy
Tiako ianao, ampy ahy
Na iza na iza hanaratsy ny mombamombanao rehetra
Sy ny etsetra sy ny etsetra
Tsy hiasako saina akory, tsy hampiova izato faniriako
Tiako ianao, dia izay no tiako
Ireo mpaneso sy mp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/diso-lalana | DISO LALANA | Ora | Kamboty mbola zaza ianao ry MANITRALALAINA
Ka tsy mba nahalala ilay hoe fitiavan-dRay
I Neny irery mantsy no nitady izay ilaina
Sady nitaiza antsika enina mianadahy
Ianao no faravavy tamin’ny naterany
K’ilay fitiavan-dreny tsy manam-paharoa
Fitia ts’isy fatra no indro fa nazerany
Taminao ry zandry, eny nitobaka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/baiboly-efa-rotika | BAIBOLY EFA ROTIKA… | RRAG | BAIBOLY EFA ROTIKA…
Somebiseby ‘ty ny foko, hamonjy ilay fiangonana,
‘zay foto-pinoako, na dia avy aza ny orana.
Baiboly efa tonta, efa rotidrotika ihany,
no indro mba fivimbiko, toy ny isan’andro hatrany.
Dia aty amiko ny jery, ny maso-mpitazana,
toa mandinika ny akanjoko, mandinika ahy fatratra!
‘Ndreo mihazon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/namana | NAMANA | Ravanondrazana | NAMANA
"Namana", hoy ianao,
tamin'ny valin-kafatra,
no hanajanonana ahy.
"Tsy mira ho tia anao,
na dia sariaka fatratra,
miangola, tso-panahy.
Nefa kosa indrindra
na ianao na olon' iza,
dia ekeko samy tiako,
fa namana tsy ariako!
izaho aloha be resaka,
somary mihanihany,
fa tena fombako io.
Miakama bandy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/teto | TETO | Ravanondrazana | TETO
Ambatobaraingo !
Teto no latsaka izany tavoniko,
Teto no niana-namindra ny tongotro.
Teto no niana-niteny ny vava,
Teto no tsiaron'ilay fahazaza.
Ambatobaraingo !
Teto no fanabeazana ho ahy;
Teto no fototry ny ara-panahy.
Teto no nianatra ny hadalana
Teto no niainako ny fahotana.
(Teto no niana-panaon'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ry-tily | RY TILY! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | RY TILY!
Ny Tily tena Tily
tsy mitady dera
na doka avy amin'iza
tsy mitady laza
amin'ny asa fanompoany
fa maneho hatrany hatrany
ny tena fahavononany
Ny Tily tena Tily
tsy kivikivy foana
amin'ny asa hiandraiketany
fa sahy mijoro hatrany
n'inona n'inona mitranga
n'inona n'inona fisedra
miserana eo imasony!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mivaro-pasana | MIVARO-PASANA… | RRAG | MIVARO-PASANA…
Efa adala tokoa angamba,
ka tsy menatra intsony.
Atao mody jamba,
nefa gaigy mihitsy itony.
Aiza ka dia fasana avy,
no atao fitady vola!
Tsy mahalala izay fady,
fa angaha dia diso maty noana?
Efa toa tsisy hasina,
na lanjany intsony!
Manao varotra miafina,
ka ny fasana no hafoy.
Very saina m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nangina | NANGINA… | RRAG | NANGINA…
Manao ahoana ianao,
fa dia nangina ela?
Inona no vaovao,
sa ny lasa no tavela?
Arahaba no indro atolotro,
tsy maty fo aman’aina!
Io no laza ataon’ny molotro,
mifamatotra amin’ny aina.
Manao ahoana ny adidy,
izay hitolomanao mafy?
Aza hadinoina ny misafidy,
tandremo sao safidy ratsy.
Nangina fa tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-fiangotiko | ILAY FIANGOTIKO… | RRAG | ILAY FIANGOTIKO…
Ilay sento miary ireo tomany!
Ilay tsiky rako-tambitamby!
Ilay fihetsika maneho,
‘lay hanta arahim-peo!
No fiangotiko mazàna,
mpivahiny toa tamana.
Ilay ranomasoko nilatsaka!
‘Lay ‘zaho nianjera tampoka iny,
no tahiry mampanembona,
‘lay fiangotingotiko iny.
Ilay ràtra tsy mba sitrana!
Ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nomena/tsiaro | Tsiaro! | nomena | Eh ! Tsaroako ankehitriny,
Ilay fihaonantsika roa
Mitamberina ny fahiny,
Tsy mety miala ato an-doha.
Fa fitiavana niredareda,
No efa natolotro anao
Na dia maro ary ireo sedra,
Mbola tsy niova hatramin’izao
Nifandimby ny ratsy sy ny soa
Niezaka hampisaraka ny fo
Nefa haintsika ny tsy hisara-droa
Nitana ny fit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireo-no | IREO NO… | RRAG | IREO NO…
Vetso sisa ity mitroatra, mikiky mafy ny ao anaty!
Tolo-namoizan’aina, fery nilona ka tsy tanty!
Indreo no re manery mafy, ny fo hitolona tsy fidiny!
Ireo no faka toa nandidy, ny fo handà izay safidiny!
Na dia tsapany ny fitepo, sy fidobo-po.
Na dia hita fa misento, vao mahatsiaro ireo taloha.
Dia toa h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/rehefa | REHEFA | Ravanondrazana | REHEFA
Ny fiainam-pijaliana
no henika hafaliana,
Rehefa eo ianao.
Mangina lasa moana.
Mibanjina anao foana,
Rehefa eo ianao
Ny ora na manenjika
Tsy reako mihetsika,
Rehefa anilanao.
N'ovina dia mazoto
Mandeha mitotototo,
Rehefa hilainao.
Fanahiko no tsapako
Misitaka ny vatako,
Rehefa orohanao.
Ny aliko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/niaritra | NIARITRA... | RRAG | NIARITRA…
Ry Neny tiako: “Niaretanao ny mafy,
nitolomanao ny ady, sy ‘reo sedra tena mafy,
nisavily ny fiainana, sy ny tokantranontsika”.
Ry Neny, tsy voavaliko ireny,
tsy ho voatanisako ihany koa,
na dia lazaina ombeny ombeny,
fa mora izany manao soa.
Ka na herim-po an’alin-kisa,
na volabe manapitrisa,
no at... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ianao-1 | ANY IANAO… | RRAG | ANY IANAO…
Mangatsiaka izato aliko,
ka mitanisa aho ny tsiaro,
izay nandrakotra ny omaliko,
tsy dia tiako ny hifangaro.
Any ianao any!
Asa! Mety koa nanadino!
Any ihany any!
Ny hahatsiaro, toa tsy hampino!
Any ianao,
eny an-tratran’olon-kafa!
Toa variana milalao,
dia nanadino irony lasa.
Any moa ianao,
ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/atombohy | ATOMBOHY | Ravanondrazana | ATOMBOHY
Atombohy ilay
Dobodoboka,
kapoka aponga!
Dabodaboka,
hazeran'ny daroka!
Rediredy,
mandrevy kilonga!
Rodorodo,
mandositra aloka!
Ridiridin'
ny tara vao tonga!
Donadonaka,
rahona an-danitra!
Lavadavaka,
mangoaka fandrika!
Refodrefotra
kotroka am-baratra!
Redoredona,
manaka-danitra!
Tabataban'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/norarana | NORARANA… | RRAG | NORARANA…
Tsy ny foko izay niaviany,
sy ny fombafomba taniny,
na ny endrika amam-bikany,
miary toetra izay ao aminy,
no nentin’izy ireo nandràra,
ny fitiavako anao.
Tsy ‘zay foto-nipoiranao,
somebin-dasa efa vita,
na koa ny maha ianao anao,
sy ireo hafa mbola tsy hita,
no nentiny nandràra,
ilay fitiavantsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitsingerina-2012 | MITSINGERINA… | RRAG | MITSINGERINA…
Toa tsy nofy intsony,
‘ty androm-pahatsiarovana,
mitsingerina anio!
‘Lay andro hany tokana,
tsy foana na hodorana,
tsy lefin’ny tadio!
Arahabaina ianao,
inty! Raiso ny tanako!
Arahabaina ianao,
etsy! Hofihiniko rahavako!
Fa andronao anio,
ka aleo tsy holalovana!
Dia izao no tadidio,
fa ny an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fela-maina | FELA-MAINA… | RRAG | FELA-MAINA…
Hatsiaka mamirifiry! Injay misavovona ny lasa!
Nanafoana ny anjaran-tsafidy, rava hatramin’ireo nokinasa!
Nalazo ny felam-pitiavana, tsy noheverina mora ho maina!
Kinanjo ‘lay hoe maitso mavana, ravi-nihintsana maraina!
Misaona tokoa ve ny tany, toy ny hoe very olomanga?
Misento dia indrao mitomany, i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozim-pasana | RAOZIM-PASANA… | RRAG | RAOZIM-PASANA…
Tsy noheveriko ho somongamonga, ilay fitia natolotrao!
Tsy noheveriko ho sangisangy, eny hatramin’izao.
Nefa indrisy fa ankosotra loatra, toa niloko fotsiny ihany!
Tsy mba lokon’ny fo te hivoatra, fa dia lokom-bolontany.
Tsy noheveriko ho anio dia anio, no hifarana ny endri-tantara!
Tsy noheviriko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/sanatria | Sanatria | Lahatra Natiora | Sanatria
Taloha aho tia anao fa tsy nasianao sarany
Eny, nambaniana sy tsy nasianao vidiny
Nionona ny foko fa efa hoe tsy anjarany
Tsy nierika azy akory ilay mba nofinidiny
Nampiononoko ny foko mba hilamina sy ho tony
Nampanginiko ihany koa ny fitiavako anao
Nampianariko ny saiko mba tsy ho tia anao intsony
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nivoady-taminny-fasana | NIVOADY TAMIN’NY FASANA… | RRAG | NIVOADY TAMIN’NY FASANA…
Aloky ny lasa, no hany mbola tanany.
Ranomason-datsa, no no injao lazainy fa fananany.
Foana tan-tsegaondra vitsy, ireo ora nifaliany.
Lavo sy resim-pahafatesana, ilay olona lazainy ho tiany.
Ny dina efa vita, narahim-belirano,
no nanjavona tsy hita, nalevin’ny onjan-drano.
Dia indrao ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-hoy-ny-foko-ianao | IZA HOY NY FOKO IANAO? | RRAG | IZA HOY NY FOKO IANAO?
Ry tovovavy be fihaingo, mibikàna an-damaody,
mirehareha fa mpitovo, alin’andro tsy mba mody.
Mba iza moa ianao, fa tsy mahalala setra tany?
Toa heverinao vinany, ireo nambaran-joky omaly.
Ry zazavavy be fidola, mpanadala vadin’olona,
manantena fa fiangola, no tena hitiavan’ny olona.
Mba i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hoy-ianao- | HOY IANAO: …! | RRAG | HOY IANAO: …!
Hoy ianao:
“‘Lay fihantany mirindra,
‘lay fisento fanembonany,
ireo fitia tsara rindra,
sy ny adim-pitolomany,
no injay famato-boady,
nifanaovanareo dina,
fatomaty vitan-tady,
tsy lefin’ny alo-mpanakiana!” |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/gasy-aho | GASY AHO… | RRAG | GASY AHO…
Gasy aho fa tsy hihambo,
ny fireneko Gasikara!
Ka tsy hananako atambo,
raha misy hitetika ny hizarazara!
Gasy aho ka tsy hiaiky,
ny ady seza ataonareo!
Gasy aho ka tsy hanaiky,
ny fitiavan-tena aseho!
Ka na ho latsa na ho eso,
no hanerena ahy hangina,
dia mbola ambarako eto,
fa mbola ataoko fanahi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/asa-misy-fafiny | ASA MISY FAFINY | Ravanondrazana | ASA MISY FAFINY
Ianao ilay olon-tiany.
Maminy sy tompony, hatramin'ny fahiny.
Ianao ilay miakanjo mitsidika isan'andro
Ny ankany manasaraka,
Ny misy an'izy mianaka.
Rehefa injay maraina,
Dia niova ho biby saina
No sady tsy mitsitsy...
Jereo ny sombiniainy
Fa natokanao mihitsy...
Ny donginy tsy tapitra,
Kane... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faka-tsy-hita-fototra | FAKA TSY HITA FOTOTRA… | RRAG | FAKA TSY HITA FOTOTRA…
Tsy hoe maneso akory,
raha milaza izao,
na koa manasoketa,
ny hany vitanao,
fa te haneho fotsiny,
ny hevi-mitahiry,
vao maraina teo,
no reko toa nitsiry:
“Faka ratsy fototra,
no rafitra navoatra!
Lava-tsy nitototra,
no zary hararaotra,
mitambesatra eny,
zary zoga vidi-mirary!
Modia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/navadika-ny-pejy | NAVADIKA NY PEJY… | RRAG | Ny lohateny no niova,
fa ny tantara iny ihany.
Ka ny lasa izay nandroba,
no noraketin’ny omaly.
Saingy mbola misitery,
manita-pery tsy ho zaka.
Fa mbola misy tsianjery,
hola-pery voka-dràtra.
Ny pejy no vaovao,
fa ny tantara iny ihany.
‘Lay misy rango-peninao,
nametraka tomany.
Tao anaty ranomaso,
Izay tsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/ho-anao-ry-tiako | Ho anao ry tiako | Lahatra Natiora | Ho anao ry tiako
Tononkalo iray niangaliako fatratra
No indro efa nomaniko, hatolotro ho anao
Ianao no nofinidiko handray izato hafatra
Ary koa handre izao teny mamy izao
Ny bitsiky ny foko manakoako anaty
No hery iray nanosika ahy hanoratra izao
Tsy azoko kobonina fandrao ka hahafaty
Ilay vetsoko mangina sy fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-hitomany | RAHA MBOLA HITOMANY… | RRAG | RAHA MBOLA HITOMANY…
Aleo ianao mody, raha mbola hitomany,
tsy ho zakako mantsy, ny hamafin’iretsy fahatsiarovana,
notehirizinao, ka tsy lefin’ny omaly!
Injao indray minia mitsiry, zary olana tsy tototra tany,
ka mikiry mitamberina, misetra mampijaly,
ny fonao! ‘Lay fitiavam-pandalovana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/tiako-ianao-kanefa | Tiako ianao kanefa... | Lahatra Natiora | Tiako ianao kanefa...
Ny andro iray voaloha
Nihaonantsika roa
Dia nisy dobok'onja
nanonja dia nanonja niserana tanatiko
Ary mila tsy ho tantiko
ny nibanjina nijery ireto masonao mamiratra
Fa lasa tia anao 'zany foko adaladala
naniry mafy indrindra ny hiantso anao ho "malala"
Saingy... tsy azoko natao ny nilaza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-rariny-sy-ny-hitsiny | NY RARINY SY NY HITSINY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ny rariny sy hitsiny, izay dradradradraina,
aleo horesahina, aleo hotantaraina;
amin’ny vaninandro manahirana ankitriny,
fa tsy hodian-tsy hita, sao hananan-tsiny.
Ny rariny sy hitsiny, tsy azon'ny iray tanàna;
satria fisaka ny rariny, ka sarotra zahana.
Manify koa ny hitsiny, tsy atao tazan-davitra,
ka mila fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-fiadanana | TSY MISY FIADANANA | Fredy Jaofera | TSY MISY FIADANANA
Tsy misy fiadanana
ho an'ny ratsy fanahy ;
tsy misy fihavanana
ka andosirako, lahy !
Tsy misy fiadanana
ho an'ny mpangalatra,
na aiza, ananganana
nofy be tonga lafatra.
Tsy misy fiadanana
ho an'ny mpandainga
tsy hay nosakanana,
na mahavadi-bainga.
Tsy misy fiadanana
ho an'ny mpandrava
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitaraina-ny-tany | MITARAINA NY TANY… | RRAG | MITARAINA NY TANY…
Fery toa tsy maina,
no zogam-pirenena!
Fo ‘zay mitaraina,
leom-pandemena.
Mitaraina ny tany,
k’injao miferin’aina!
Tinerin-tomany,
ka dia malaina.
Mihemotra tsy fidiny,
mitsoaka ny adidiny.
Mitaraina ny tany,
hoy Andry Andraina!
Mihetraketraka ny omaly,
‘zay ràtra tsy ho maina.
Ady efa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nandeha-i-neny | NANDEHA I NENY… | RRAG | NANDEHA I NENY…
Aza mitomany,
na misento akory,
noho ny laha-tany,
dia tsy maintsy ho ory.
Lasa i Neny,
‘lay fihantahanta iny,
voatery ny nandao,
satria mpivahiny.
Aza manaiky resy,
na mafy aza ny ady
mananà koa finoana,
na dia tsy nisy voady,
natao tamin’ny lanitra.
Sahia ianao mijoro,
na dia hoe mahant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foko-2012 | NY FOKO… | RRAG | NY FOKO…
Misento mitomany,
manina anao.
Injay fa manontany,
ny tena misy anao.
Nefa, tsy mba nahita valiny,
na niezaka aza!
Toa tsy nahita maminy,
na dia nitia mazava!
Ny foko tianao,
tsy henatra intsony.
Nefa sahinao,
sahinao ny nilaza,
fa mbola resi-tory,
toy ny zaza.
Ny foko ve no maika loatra?
Sa iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitsingerina | MITSINGERINA | RRAG | MITSINGERINA
Mitsingerina anio, ilay andro nihaonantsika,
ka ny foko no injay, mitanisa ny efa vita,
sy ‘reo voady velirano, narahin-toky sesehena,
voady efa tamin’ny lanitra, toky vita tamin’ny firenena.
Mitsingerina anio, ilay andro hany tokana,
namborahako ‘lay feo, tahirin’ny efitro manokana,
dia ‘lay hoe ti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mariazy-nofinofy | MARIAZY NOFINOFY… | RRAG | MARIAZY NOFINOFY…
Tsy tiako higadona ny ankaso,
hitondra ilay maraina vao,
sy izay hamboraky ny ampitso,
ilay andro fantatrao.
Fa hifaranan’ny nofiko,
hiatoan’ny tositosiko,
hiantombohan’ny sedram-piainana,
hialohavam-panaintainana.
Mariazy nofinofy,
mitondra ràtra fa tsy soa.
Nahatonga fo ho farofy,
nihibo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fony | NY FONY… | RRAG | NY FONY…
Tiany ianao fa aza manahy,
ny voady ny azy sora-drà.
Tsy lefin-drahona mandalo!
Tsy potiky ny amboaran-tsiaro,
izay mandrafitra ny lasany,
fa fototry ny tena kasany.
Sora-mitoetra,
tsy mba nasiany fetra!
‘Lay misoritra ao am-pony,
‘zay tsy mbola nohadinoiny.
Ny fony ny azy tsy manahy,
fa ianao no t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misy-any | MISY ANY… | RRAG | MISY ANY…
Misy any ho any,
fo mitia anao mangina,
ka aza mitomany,
fa ho avy foana ‘lay tena tiana.
Misy any ho any,
fo mitady toa anao,
fa aza miraharaha izany,
raha azonao atao.
Aleo izy handeha,
aleo hanova lalana.
Ataovy an-tsaina anie,
fa mbola tsy maintsy hifarana,
ny alahelo, hiniana hatonta,
holan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-any-aminao | NY ANY AMINAO… | RRAG | NY ANY AMINAO…
Volamena fa tsy alimo,
na koa varahi-midorehitra.
Tsy miofo rahoviana,
fa hafa mihitsy izato peratra.
‘Lay avy any aminao,
fanomezana tsy foiko.
Tsy nasian-draorao,
ka horaisiko amin’ny foko.
Tiako ianao na dia tsy ambarako,
tsy tanisaiko isan’andro!
Tiako ianao ry ‘lay malalako,
ianao ‘lay t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-izy | ANY IZY… | RRAG | ANY IZY…
Mangina,
aza mitomany akory,
fa izy any,
mbola resi-tory.
Manofy ny eo anilanao,
mbola tsy nandao.
Any izy,
mamerina tadidy,
mandà fa tsy izy,
‘lay tsy teo anilanao.
Satria izy,
mbola isan’ilay tao,
tao am-ponao tao.
Noho ny safidy,
safidy izay natao.
Any izy,
mihevitra ny tsy hohadinonao.
An... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hoy-ny-foko | HOY NY FOKO…. | RRAG | HOY NY FOKO….
Tsy ny hakantom-bikanao,
na ny fitafinao mihaja,
na koa ny toky hatolotrao,
sy ‘reo nambaran’ny vava,
no hitiavako anao,
fa ny toetranao ‘zay miavaka.
Hany tokana eto an-tany,
zary endri-nampiravaka,
tsy nampietry ireo ambany!
Hoy ny foko hoe:
“Tiako loatra akia ianao a!”
Hoy ny foko hoe:
“Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mariazin-janako | MARIAZIN-JANAKO… | RRAG | MARIAZIN-JANAKO…
Nihiboka hafaliana, velon-dranomaso,
nitsiky toa mangina, fa resy ilay ankaso.
‘Lay mariazin-janako, ‘zay nofiko omaly,
no tanteraka ihany, k’injao ny foko faly.
Ora tsy nampoiziko, fa mbola ho hatrehiko!
Andro nofinofiko, ho tratram-pahanterako,
‘ty andro sarobidy, tokana aman-tany.
Enga anie ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsaroanao-ve | TSAROANAO VE? | RRAG | TSAROANAO VE?
Efa elaela ihany,
ny nandaozanao ny foko.
Toa tsaroako eto izany,
na dia efa nohadinoiko.
Mba tsaroanao ve,
‘lay ‘sika roa niara-dia ?
Tsy nisy fatotra namehy,
ankoatr’ilay fitia.
Tsaroanao ve,
ireny isika roa mivetso?
Saingy indrisy,
f’izaho anio velon-tsento,
mahatsiaro,
ireo dingana naleh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/volantantelin-dranomaso | VOLANTANTELIN-DRANOMASO… | RRAG | VOLANTANTELIN-DRANOMASO…
Fifaliana kely, voatokana hiserana!
Fitia nitsianjery, nalaky ny namelana!
Kanefa, injay vao vaky ravina,
dia maina, sy nosaronan-javona.
‘Zay zavona matevina, arahin’oram-baratra.
Ka zary lasa nofy, ‘lay any hoe hisambatra.
Nantenain’ny fo, fa tsy lefin’ny ankaso,
nefa indrisy, vao nam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-aliko-2012 | NY ALIKO… | RRAG | NY ALIKO…
Raha hisoka-bava aho, moa hodisoina ny teniko!
Raha saronana ahiahy, dia ho hafenina ny peniko!
Nefa ity no tsy tsarovy, fa ny aliko mangina,
tsy noho ny ranomaso akory, na miondri-pahoriana,
fa minia tsy miteny, minia tsy miloa-bava,
ka ny alin’ny ampitsoko, no haneho ilay mazava.
Ny aliko na haizina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mba-mahatsiaro-ianao | RAHA MBA MAHATSIARO IANAO… | RRAG | RAHA MBA MAHATSIARO IANAO…
Banjino kely minitra iray,
na ora iray mihitsy aza,
ilay sary an-joron-trano,
tsiaron’ny afo izay nahamay.
Dia ‘lay navelan’itsy lasa,
ho fototry ny aim-baovao.
Tsisy dina, tsisy kasa,
fa ny ho eo anilanao.
Banjino iray minitra monja,
ilay sary efa tonta.
Omeo oroka mafonja,
aoka,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mpamboly-vola | MPAMBOLY VOLA... | RRAG | MPAMBOLY VOLA…
Ny sasany mihevitra, azy ho mpamboly vola,
dia revo, mimaola, manaraka midola.
Nefa ahitra no hohanina, arapany am-bava,
jejo loatra, be fihaingo, sady mbola basivava! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kopa-tanana | KOPA-TANANA… | RRAG | KOPA-TANANA…
Indrisy fa veloma,
natao tan-dranomaso,
nandràtra fo voadona,
miendrika ankaso,
‘lay kopa-tananao,
talohan’ny hifandao!
Indrisy fa toa ora,
nisosa moramora,
toa haingam-pandalo,
mitoetra am-po mimalo,
nitahiry fery,
toa zary tsianjery,
‘lay kopa-tananao,
nilaza fa efa lao!
Indrisy sedra mafy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pejy-vaovao | PEJY VAOVAO… | RRAG | PEJY VAOVAO…
Efa ninian-tsy tsaroana, ny lasa efa vita!
Efa ninia-novonoina, ny fitiavantsika!
Efa ninia-navadika, ny pejy saingy indrisy,
fa tsy hisy izany, tena hoe tsy misy!
Na dia nivadika ny pejy, ka lohateny vaovao,
no handrafetana ny boky, dia ny ao am-ponao ao,
tsy nanadino velively, ny lalan-dasa nolalo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mifoha-indray-ny-lasa | MIFOHA INDRAY NY LASA… | RRAG | MIFOHA INDRAY NY LASA…
Asa raha nahoana, fa toa mikiky ny tahiry,
mitroatra ny ao am-po, manery ny tadidy?
Mitamberina tsy nahy, misavovona tsy fidiny.
Mitaky ny hadalana, mitaky ny vidiny!
Mifoha indray ny lasa, manery ireo vita,
mikiry ny hamingana, hatramin’ny efa tsy hita.
Voatery ny tadidy, hamerina ny levo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/etsy | ETSY… | RRAG | ETSY…
Etsy hatopazokely fotsiny,
ny masonao hijery azy.
Ka karohy hatramin’ny ivony,
hatramin’ny atin’ny fanahy,
ny fitiavana natolony,
ny tokim-bava, ataon’ny molony.
Etsy atopiazokely any,
hijery azy ny hatrany hatrany,
‘lay notoloranao fitia,
ka nanaiky ny hiara-dia.
Etsy raiso mora iretsy tanany,
dia mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-ekeko-intsony | TSY EKEKO INTSONY… | RRAG | TSY EKEKO INTSONY…
Tsy ekeko intsony raha mbola ny ràtrako,
no hanjogaina, ka hivadika ho latsako.
Tsy efa ampita, tsy efa ampitaina,
mampihazona ahy, nahatonga ahy halaina.
Tsy ekeko intsony, raha toa ianao ‘lay tiako,
no mbola hamitaka ahy, fa mihevitra ahy resi-tory.
Tsy ekeko intsony, raha toa ianao ‘lay nof... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fasany | FASANY… | RRAG | FASANY…
Ry fasan’ny lasako, aleo izy hiverina,
‘ty foko tomany, toa efa manenina.
Tiako dia tiako mantsy, ‘lay tokako iny!
Aleo izy hitoetra, fa aza atao mpivahiny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-tia-anao | IZAY TIA ANAO | Fredy Jaofera | IZAY TIA ANAO
Izay tia anao,
tsy mandratra,
tsarovy izao
tena hihatra.
Izay tia anao,
tsy mamitaka,
na inona atao,
hay aparitaka.
Izay tia anao,
tsy mandainga,
na feno raorao
mampanainga.
Izay tia anao,
tsy mamingana,
n'aiza n'aiza vao
io mandingana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-atao-mampiasa-loha | AZA ATAO MAMPIASA LOHA | RRAG | AZA ATAO MAMPIASA LOHA
Topazo maso fotsiny, fa aza atao mampiasa loha!
Diniho tsara ihany, sao dia ‘ndray handràtra fo.
Raha toa ka ny handao, izay no tena tiany.
Aleo ataony any, rehefa hosafidiany.
Aza atao mampiasa loha, ny tsy fahitana,
azy ‘lay mitositosy, toy ny eo an-tratranao.
Aza handràtrana fo, ny tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-feon-kirantsika | NY FEON-KIRANTSIKA | Fredy Jaofera | NY FEON-KIRANTSIKA
Ny feon-kirantsika
no sioka eto am-bava
rehefa mba sariaka
sy mitady lalandava.
Ny feon-kirantsika
no lasa ho azy foana
rehefa tsy mikiaka
ny andro sy fotoana.
Ny feon-kirantsika
no mamelona ahy ery
rehefa toa masiaka
ny mamizana hatraty.
Ny feon-kirantsika
no andihizana indray
rehefa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sentoko | SENTOKO… | RRAG | SENTOKO…
Ry volana baliaka, tinaratry ny aliko!
Ireo lasantsika, no foto-n’ny tsiaroko!
Ô! Ry kintankeliko iny, ‘lay mamiko sady teliko!
Aoka re ny sentoko, mba tsy ho isam-periko.
Ka ho isam-besa-poko, zogam-pigadrana.
Tsy resin’ny toloko, sy hatsiaka tsy hety hafana!
Ny sento izay zogaina, toa rojo fatotr’aina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-manina-ve-ianao | TSY MANINA VE IANAO? | RRAG | TSY MANINA VE IANAO?
Ilavitra anao aho, ilavitra aty!
Asa, raha tsaroanao, ‘lay notolorako fitia!
Nefa ianao, toa tsy manina akory!
Angamba kosa lahy, mbola resi-tory.
Izaho misento, ianao mba nahoana?
Toa tsy handrenesam-peo, sa efa moana?
Tsy manina ve, ianao lavitra any?
Nefa izaho aty, efa resin-tomany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-an-dafy | ANY AN-DAFY | RRAG | ANY AN-DAFY
Indrisy fa eto! Eto aho manembona, anao ilavitra any!
Ary dia mbola eto! Eto no misento, mandefa vinany!
Indro misy hafatra, hampitaiko an-taratasy.
Tso-dranom-po, ‘zay sasa-miandry, anao avy any an-dafy.
Mbola manina aho aty, ary tsy miova ny fitia!
Satria tokoa aho tena tia, tena tia, tena tia…
Eny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-tiako-zany-ianao | TSY TIAKO ‘ZANY IANAO… | RRAG | TSY TIAKO ‘ZANY IANAO…
Ninoninona ho ambara, tsy tiako ‘zany ianao e!
Na ho lazaina hoe anjara, tsy ho tiako mihitsy ianao e!
Mafy loatra raha ny zoga, navelanao hoentiko!
Haizina miary fonja, no novetsoiko izay mba sentoko!
Tsy tiako ‘zany ianao, fa nanataka ny foko!
Tsy ho tiako mihitsy ianao, ‘lay namadika ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lefona | LEFONA… | RRAG | LEFONA…
Natsindrona lefona, efa harafesina, ny fo ‘zay nitia!
Nofinganina hianjera, hianjera tsy fidiny, ‘reo mpifankatia!
Tsy sedra voalahatra, fa hinian’ny hafa, hazera amin’ny lalany.
Tsy tena anjara, fa loto handotoana ny raki-tantarany!
Nafatotra rojo, dia nofonjaina, ny herim-pitiavany!
Hosihosena, ary koa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-jamba-ihany | RAHA JAMBA IHANY… | RRAG | RAHA JAMBA IHANY…
Nifikitra aho fa tsy nahatana,
ny lalako aza ity malama.
Toa sakantsaka-mpankahala,
sy todim-baratr’hadalana!
Raha jamba ihany aho,
nahoana no aminao?
Raha moana ihany,
nahoana aho no tsy hiteny?
Nahoana ianao no tsy hijery,
ahy etoa-mitomany?
Mipararetra manontany,
‘zay misy anao!
Sa kos... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-anjely | RY ANJELY… | RRAG | RY ANJELY…
Nanao ahoana izato ianao,
ry Anjelim-po mitepo?
Fa ny foko hatramin’izao,
mbola variana ny misento.
Mbola manina ‘reo lasa,
nisy toerana ho anao.
Eny, mbola tena zatra,
ny nandray ny tananao.
Ry anjelim-po misento,
tsarovy ihany aho aty.
Eto indray aho mivetso,
noho ny halalin’ny fitia.
Ka hampa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hangina-aho-kanefa | HANGINA AHO KANEFA… | RRAG | HANGINA AHO KANEFA…
Tiako loatra ianao,
tsy efako holanjaina,
tsy mba kilalao,
fa voka-po misaina.
Hangina aho kanefa,
raha toa tsy sitrakao,
‘ty fomba fiantefa,
azo hovaina ho vao.
Tiako loatra ianao,
tsy atakaloko hafa.
Eny hatramin’izao,
tsy mbola voafafa.
Hangina aho kanefa,
raha toa tsy ekenao,
ny h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-ratsy-tono | FITIA RATSY TONO… | RRAG | FITIA RATSY TONO…
Fitia nangalarina,
ny ahy sy ny anao!
Tsy dia tena marina,
fa toa kilalao!
Fitia lalim-paka,
anefa ny fotony.
Fitia voambaka,
hatrany amin’ny tonony.
Fa izaho tsy nihary,
ianao tsy nikolo.
Ka tsy lavorary,
fa fitia ratsy tono.
Tsy tsara nahandro,
fa manta anaty.
Tsy tara-masoandro,
toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jaly | JALY… | RRAG | JALY…
Ry tahotro mandrakotra,
mitafy koa ny henatro.
Mijaly aho ka maràtra,
noho ny haizin’ity efitro.
Tsy tantiko ‘ty zoga,
tsy efako holanjaina.
Tsy tantiko ny fonja,
an’efi-karakaina.
Mijaly loatra re ny aiko,
ry taho-poko rakotra hovitra.
Mijaly hatramin’ny atin-tsaiko,
ny vatako aza efa mangovitra.
Ry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eto-aho-2012 | ETO AHO… | RRAG | ETO AHO…
Eto an-kianjam-panoratana
aho, no mamezivezy penina.
Andraketako ny mamy,
izay mihombo noho ny nenina,
navela tany ho any.
Niandrasako hitamberina
kanefa, indrisy tsy niverina,
fa lasa akanin’ny tomany.
Eto anoloan’ny sedra mafy
aho, vao nahatsiaro anao tomany.
Hoy ianao tamiko hoe: “Tsy tanty
ny h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jamba-hono-aho | JAMBA HONO AHO… | RRAG | JAMBA HONO AHO…
‘Lay ianao nitopy ahy, izay tsy tsinjoko akory,
no nilaza ho jamba aho, nefa ianao no toa tsy tony,
fa variana nitia, olon-kafa tsy eto intsony,
no efa toa nanary dia, niaraka amin’ny ràtram-pony.
Jamba hono aho, hoy ny masonao mijery!
‘Zay tsy mba nahita ahy, variana ny nisento irery.
Manimanina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozy | RAOZY… | RRAG | RAOZY…
Samy tarana-boary ihany,
nefa meva sy sariaka,
ilay firavaky ny tany,
tefim-bolamena vita.
Tokam-po mahay mihaino,
mahandry hatrany ny hafa.
Ny fiainany mba hisaintsaino,
atao fitaratra fitafa.
Raozy! Mamela-manga manjopika.
Felana! Manangasanga tsara bika.
Tsy asiana zezika intsony,
fa efa lavi-doni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toky-feno-nofy | TOKY FENO NOFY… | RRAG | TOKY FENO NOFY…
Na hitomany aza ianao, dia izao no mba tsarovy!
Fa tokim-bava ihany ireny, toy ny antso iray tsy tody,
izay natorany hiantefa, hiantefa taminao!
Toky feno nofy izany, fa izy lasa, efa lasana nandao!
Ka ny hany azo atao, dia ny mampitony fo!
Ny tokana azonao atao, dia ny mandamindamin-doha!
Fa rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-voahitsaka | FO VOAHITSAKA… | RRAG | FO VOAHITSAKA…
Tsy vita ny natosika, hiala ilavi-tiana!
Fa mbola nesoina, ny hany faniriana!
Vao mainka indray koa, hitsahina ho repotra.
Tsy namelana mihitsy, raha tsy tena sempotra!
Dia ‘ndrao no niafarany, poritra sy toro!
Nosakanana avokoa, ireo naniry hikolo.
Fo voahitsakitsaka, drodroka sy reraky ny ditra.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/oram-pitiavana | ORAM-PITIAVANA… | RRAG | ORAM-PITIAVANA…
Nijojo ny orana, nilatsa-tsy tana,
kotsa ianao, ka nanomboka nihovitra.
Nantsoiko hialoka, hizaha hafanana,
natahotra ianao, dia somary nangovitra.
Aza manahy hoy aho, tsaroako ireny,
nanatona ianao, dia tsy niteny.
Tsy nahajery akory, ny hafalian-tan-tavako,
fa dia feo fotsiny, no renao tao am-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/milom-pery | MILOM-PERY… | RRAG | MILOM-PERY…
Hangina aho raha toa, ozona ho ahy!
Hiala aho satria, tsy tian’ialahy!
Tsarovy kosa anefa, fa ny lahatry ny anio,
tsy maintsy ho levon-taona, hivadika tadio.
Dia hiverina hazava, tsy horakofan-javona,
‘lay taratry ny maraina, toa lasa niavonavona.
Ka hitomany hifona, hilady amin’ny foko,
ary hiangav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fingana-lava | FINGANA LAVA… | RRAG | FINGANA LAVA…
Nihafiana ny lasa, nefa tsy tony.
Fingana lava, no atao amin’ny fony.
Navela ny lasa, mba homba ny lasa.
Fingana lava, no nandefena kasa.
Fingana lava, tsy hiato mihitsy.
Ankason’ny hafa, modian-tsy nisy.
Injay mitamberina, mandrotika fo.
Mandrava ny vao, ny efa taloha.
Fingana lava, tsy misy nah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-rovanny-nofy | ‘LAY ROVAN’NY NOFY… | RRAG | ‘LAY ROVAN’NY NOFY…
Tefim-bolamena, nasian-diamondra,
ho haingon’ny lapa, ny rafitra najary.
Tsy mavesa-danja, kanefa toa mafonja,
tsara kolokolo, vita soko-tsary.
Daliah sy raozy, mamela-mangakely,
no haingon-jaridaina, ravaka tanàna.
Fo ‘ray mitomany, tsy misy mba mijery,
manina ny eny, sady tsy tamana.
No i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/oly-mpampihavana | OLY MPAMPIHAVANA… | RRAG | OLY MPAMPIHAVANA…
Feon’ankizy mitomany, no nanaitra fo hangoraka.
Feon-jaza an-tokontany, milalao miorakoraka.
Feon-tsodina misioka, manafàna takariva.
Feom-baliha iray migoka, ny hakanton’ny antsiva,
no olim-po ‘lay manirery, mivetsovetso irony kalo.
Anaty saina mitsianjery, ‘lay zazavavy iray mpandalo.
Siokan-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-rotika-efa-potika | EFA ROTIKA, EFA POTIKA… | RRAG | EFA ROTIKA, EFA POTIKA…
Fitia nilona fahazaza,
efa rotika!
Toa tsiahy manazava,
ny efa potika!
Tanisa tsisy fiafarana,
mikobon-dalana malama.
Mihiboka ao am-po nisaona,
nofy ilay hoe, mandra-pihaona!
Efa rotika,
raha ny fitiavana!
Efa potika,
ka tsy hahasambatra!
Efa rava,
na noheverina tsy foana,
ny tok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ando | ANDO… | RRAG | ANDO…
Miandoha finaritra ny fo ‘zay mitia.
Miandoha hasasarana ny ahelan’ny dia.
Miandoha tomany, ny fanantenana!
Ny andon’ny maraina, mitondra hazavana.
Miravo hafaliana, dia misioka ny vorona!
Ny ando sy hamamiana, no fameno tolona.
Ka avela ho an’ny alina, raha ny olana.
Fa handeha hararaotina, izato diavola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/navalona | NAVALONA… | RRAG | NAVALONA…
Tiana hotsaroina, matetika isan’andro,
ny tsara nentin-dasa, nanova ny fiainana.
Satry ho hazavaina, ‘reo tsy hitan’ny masoandro,
ka nitondra ràtra, sy fanaintainana.
Tiana hotsaboina, ‘reo ferin’aina, mamatotra ny tena.
Hirina ny hivalona, ny pejin’ny andro ratsy!
Saingy efa nandrotika, nitondra fahar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ozatry-ny-fiainana | OZATRY NY FIAINANA… | RRAG | OZATRY NY FIAINANA…
Rehefa hitanisa hoe: “Ozatry ny fiainana”,
dia Ravola izay, no mby ao an-tsaina.
Rehefa mahatsapa, ny fanaintainana,
dia Ravola ihany, no tinady sy ilaina.
Ka rahoviana moa Ravola, vao tsy hotadiavina?
Handaniam-potoana, andro aman’alina!
Rehefa mitafatafa eny, dia Ravola izay resaka!
Rehefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lalaonny-voary | LALAON’NY VOARY… | RRAG | LALAON’NY VOARY…
Mandiha toa tsy nahy ny voary rehetra.
Manaraka mora ny filanton’ny rivotra.
Miara-mirona tsy mba manam-petra.
Milantolanto sy mihovitrovitra.
Ny voro-misioka, manara-mozika.
Ny ala miredona, ny kalon’ny voary.
Ny rivo-misosa mitondra hatsiaka,
no nampandiha, ny ivon’ny tany.
Milalao ny voary,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indro-ny-nahandro | INDRO NY NAHANDRO | RRAG | Hoy aho teo am-panolorana ilay boky tahiry nitondra ny lohateny hoe: “MILOM-PERY”. Mazotoa homana daholo ah! Tandremo fa mety misy taolana madinika.
INDRO NY NAHANDRO
Tompo ô! Indro ny nahandro, azonay hatolotra!
Eo mba tsinjarao, amin’ny mila izany!
Teny kely indrindra, narindran’ity molotra.
Entina hanasoavana, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dia-ho-anilay-malala | DIA HO AN’ILAY MALALA… | RRAG | DIA HO AN’ILAY MALALA…
Misy tampina ny lavaka, fitilitily ny endrikao.
Mbola sarona ny tatatra, mety hamingana anao.
Fa ny voa nafafy kosa, toa vetivety dia nitsiry.
Ny ahi-dratsy teo akaikiny, indreo nandrombina naniry.
Toy izany koa ny antsika, ny fitia notsinjaraina.
Mety hisy ao hatsiaka, iorenam-po ‘lay mita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mirana-ny-soa | MIRANA NY SOA… | RRAG | MIRANA NY SOA…
Notinefy tao am-po, irony lasalasam-piainana!
Nohadinoina avokoa, ny hikahikam-panaintainana!
Nihiratra ny andro, toa nisy taratra hazavana.
Ny ankamaroan’ny ando, zary nentina hafanana!
Naka ny toerany, ny masoandron’aina!
Toa tsy nisy fahataperany, ny hakanton’ny maraina!
Mirana ny soa, nihisatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rojom-pitia | ROJOM-PITIA… | RRAG | ROJOM-PITIA…
Moa ny alitara ihany, no rojo afa-mamatotra,
fitia ‘zay novoadiana, teo anatrehan’ny lanitra?
Moa ny diam-penina, an-diarin’ny firaisana,
no hany tsy azo lavina, ny hampitondra faisana?
Samy rojom-pitia, fa hafa raha ny toky,
tsy voarakitra an-diary, tsy voatonta anaty boky.
Fa azom-po hotanana, hit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/felanny-aina-diniky-ny-mpifankatia | FELAN’NY AINA… | RRAG | FELAN’NY AINA… (DINIKY NY MPIFANKATIA)
“Izao moa ry tiana, raha maty ny fitiavana,
‘lay felan’ny ainy mihitsy, no maina tsisy intsony.
Ka ‘zay faniriana, sendra famaranana!
Dia hisy fo ve, mba hahay hitony?”
Hisy any ho any, felam-bony vao,
fafazana haniry, hisolo ilay taloha!
Satria hono mantsy, ao an-danitra a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/andolalaina-ra.gaby-nanando | ANDOLAL’AINA, RA.GABY, NANANDO… | RRAG | ANDOLAL’AINA, RA.GABY, NANANDO…
‘Ndeha havalona eto, ho zary toy ny nofy, ianao ry ‘lay anarana.
Tsy maintsy koa hisento, ‘ty fo efa farofy, mahatsapa fa hifarana,
ny diam-peninao, ilay rakitra tantara, anatra fampita.
Tosika famarana, ny dingam-bitanao, sy ‘zay mbola tsy hita.
Raha ny efa vitanao, no isan’ny hofo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/veloma-hoy-ny-fony | VELOMA HOY NY FONY… | RRAG | VELOMA HOY NY FONY…
Veloma! Veloma hoy ny fony!
Veloma! Ny fitiavany ih! Efa tsy any intsony!
Efa nanadino, ireny lasa mamy.
Efa toa nahita, akany tany ho any!
Aza omena tsiny, raha any no safidiny.
Aza fondroina akory, raha tsy nasiany vidiny,
ny fitiavanao! Fa izy sahy nandao!
Tsofi-rano fotsiny, tsy hisy rao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafintsalama-josefa/volan-tsinana | Volan-tsinana | Razafintsalama Josefa | Raha nisoka, natao tsy hiverina;
nony maty, natao tsy hiposaka,
kanjo io ihany io mitsingerina,
fa ny zava-malefa-pitosaka ;
fisehoany dia mihelontrelona ,
fa mitsidi-mitranga milentika
ary impito no maty ka velona
fa tsy tena dia lasa mirendrika
iry volan-tsinana andrefana
mahalala fotoam-piherenana!
Samy fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/soa-nirina | SOA NIRINA… | RRAG | SOA NIRINA…
Mba satriko lahy, ny hiaina finaritra.
Ny haka ny tsiro, entin’ny tany.
Ny aiko anefa, mety tsy haharitra.
Fa toa manakaiky, ny faran’ny tany.
Mba niriko koa, no mpamafa ny sento.
Saingy ny ahy, vesatra amiko.
Dia ny hany ataoko, dia ny mivetso.
Mamafa mora, ny ranomason-tomaniko.
Mba tiako ry aina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleo-hatreo | ALEO HATREO… | RRAG | ALEO HATREO…
Aleo hatreo ny fahanginako,
ka hosokafako ny vavako!
Ary ny lasa tsy hiankinako,
sao havesatra tsy ho zakako!
Na dia lasa aza ianao,
Eny! Na dia hoe ninia nandao!
Dia ho ataoko vita anio,
ny ranomaso nentin’io.
Aleo hatreo ny fahandeferako,
sao ho fingam-panenenako,
ny fahatsoram-po ‘zay entiko!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-ory | TSY ORY… | RRAG | TSY ORY…
Kamboty Ray sy Reny, tsy manan-kianteherana,
mahantra fitia,
tsy misy fo miantra, mitondra tambitamby,
manarona ny dia,
fa sotasota lava, anaty sangisangy,
mandràtra fo mamery, arahin-teritery.
Teny feno latsa, tsipika famerana,
ireo dingana azo aleha.
Kamboty Ray sy Reny, tsy afaka manohitra,
solafa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fiangarana-lava | FIANGARANA LAVA… | RRAG | FIANGARANA LAVA…
Ry lahatra! Toa fiangarana lava no iainanao.
Ny tsiny mandrangotra, manao ‘zay tiany atao.
Fiangarana lava, no ataon’ny lanitra.
Nahoana misy ny manana, dia misy mahantra?
Nefa ny hoditra, mba mitovy ihany!
Sa izany mihitsy, no fiainan’ny tany?
Miangatra loatra, ianao re ry vintana.
Ny aliny a... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.