url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aiza-ireo-karenjy | AIZA IREO KARENJY? | RRAG | Karenjy, mampatsiaro ny fahiny ilay fiara mitondra ny famantarana hoe « Zebu » na « omby » hoy ny Malagasy. Isan’ireny ny afovoan-tany ny taona 1985 hatramin’ny 1993 nandritra ny fitondrana sôsialista. Rabearivelo Andriamalagasy, « Ingénieur polytechnicien » no namorona izany. Isan’ireo olona akaiky sy tsy nivadika tamin’ny Amiraly tamin’izany ka nahazo tohana manokana avy amin’ny fitondrana. Ny taona 1993, niova ny fitondrana, ary nanakaton-trano ny orinasa hatramin’ny taona 2009, izay nahatongavan’ny tetik’asa« Initiative du Relais » vondron’orinasa, izay notarihan’ny hetsi-piraisankina « Emmaüs » (Mpivarotra « friperie ») namoha azy tamin’ny torimasony indray.
AIZA IREO KARENJY?
RABEARIVELO, levona tsy hita, ny karenjinao,
toa lefin’ny taona, sy ny fitiavam-bao.
RABEARIVELO Andriamalagasy,
very tanteraka, ny naha-malagasy,
ka izao nanjakan’ity fandrosoana, nentim-bahiny!
Ka nanadinoana, ny antsika fahiny.
Aiza? Aiza hoy aho, ireo karenjy,
vitan’ny tanana, sy herim-pon’ny Gasy?
Nahoana nazeran’ny laha-boatendry,
niara-nilevona, tamin’i Andriamalagasy?
Ilay hany fiara, tsy hita holovaina,
toa nofy sisa, ny an’ny maraina!
Fa ilay karenjy, nanjavona tsy hita,
dia natakalo, ny avy any ampita.
Aiza? Aiza hoy aho, ireo fiara,
tena Malagasy, tsy vitsy mpahalala?
Ilay karenjy, vita tamin’ny hazo,
raha felana ve, tsy ho efa nalazo?
Sa efa maina, ka tsisy antenaina,
ka ny ranomaso no hampitonian-tsaina?
RABEARIVELO Andriamalagasy,
toa tsy tsaroana, ny anaranao!
Nefa ianao, ‘lay hany Malagasy,
nametraka tanjona sy fijery vaovao!
Ka diso ve aho, raha hamerimberina,
hitanisan’ny vita, nalevon’ny nenina,
nalevon’ny lasa, sy ny fandrosoana.
Ankehitriny toa latsa, ilay hakamoana,
ka dia nanariana, ‘lay tokam-pananana,
izay hany tokana, mba teny an-tanana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-very | FO VERY... | RRAG | “Ho anao mandrakizay”. Tratry ny fetin’ny mpifankatia malala a! (“Être à toi pour toute la vie”. Joyeux saint valentin mon coeur!). A & A
FO VERY...
Fo very mitady ny tiany,
miantsa 'reo hiram-pitiavana!
Mpitoetra fa tsy mpivahiny,
tena namana sady toa havana!
Fo very mitady sakaiza,
nahita ka tsy nahafoy!
Kanefa tsy dia nankaiza,
fa fotoana fohy dia fohy!
Dia injao ny fo fa mitroatra,
mitady 'lay tia sady tiana!
Ka miezaka manararaotra,
mampanembona an-dRafaniriana!
Sendra tokoa 'lay tia,
dia nifamatotra teny ny fo!
Nifarimbona niara-dia,
niara-nioty ny soa!
Fo very niverina am-bala,
nikaroka ka dia nahita!
Fitiavan-tsy manan-tsahala,
ity kinendry ny ho mba tafita!
Tafaraka teny ho eny,
dia nifamato-panahy tao anaty!
Samy tsy misy miteny,
ary samy maniry ny hiantsampy!
Fo very fa tafody an-trano,
midongy tsy ho lavi-tiana!
Irina ho halavirin'angano,
dia to ity faniriana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jinery...-2012 | JINERY... | RRAG | JINERY...
Ilay jinery indray mitazan’ilay masoko nitily.
Ianao ‘lay diso lalana, nefa mbola injay nivily,
tsy nahita ahy, fa diso toa variana!
Mety mbola mahatsiaro, an’ilay olon-tiana.
‘Lay antso indray nitoraka, tsy ren’ny fo nangina.
Nanaitra fo natory, novesaram-pahoriana.
Ka any toa variana, nisaona fa tsy tiana,
dia ninia namoy, ‘lay voady vita vina!
Tambesa-dràtram-po, no injay nanery mafy,
nanozongozon’aina, nahery ka tsy tanty.
Ka ‘lay jineriko nivilana, toa naviliko indray,
fa ‘reo ràtra toa nihilana, nandoro nahamay.
Ny rova izay natsangana, ho lapam-po mangina!
Saingy indrisy, fa toa zary fahoriana,
Eentim-po milevona, am-pasan’ny fitiavany!
Namoizany ny lasa, ‘lay hany fiotazany,
ny siokam-pitia, tsy matin-taona maro!
Dia ‘lay sioka tokana, tsy mbola nifangaro.
Ilay jinerinao sariaka, nitsiky toa nangarika!
Ilay endrikao kanto, tsy mba nisy marika,
no toa fahotana, nanosika ny masoko,
an-dava-kadalana, ka zary fatorako.
Ilay fiakanjonao, toa tsy nisy henatra!
Izato akanjo fohy, ny fe toa nivelatra,
no vato iray nanohana, ny tongotro tsy hiampita.
Raha azoko natao, aleo samy vita!
Ny fakam-panahy, izay nentinao,
no antsy miantratra, loza nitatao,
hitambesatra amiko, raha hamadi-pejy.
Ka ny sisa azo atao, dia miandry izay ho tendry! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/noho-ny-zanako | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-mitaky | REHEFA MITAKY | Fredy Jaofera | REHEFA MITAKY
Rehefa mitaky ny mpiasa
'zay karama fa tena mila
dia atao foana ho lahasa
ny mamoaka miaramila.
Rehefa mitaky ny olona
ny zony mba tsy ho dila
dia tsy ilainy hitolona
ka amoaha-miaramila.
Rehefa mitaky ny maro
'zay rariny tsy mitanila
dia tsy mba mahatsiaro
ka amoaha-miaramila.
Rehefa mitaky ny hafa
'zay vonjy tsy hahagila
dia vao mainka mijafa
sy amoaha-miaramila. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ianao-no-ilaiko | IANAO NO ILAIKO | Fredy Jaofera | IANAO NO ILAIKO
Ianao no ilaiko
amin'ny fiainana,
mbola antenaiko
rehefa itarainana.
Ianao no ilaiko
amin'ny tanjona
raha toa lazaiko
fa tsy mpianjona.
Ianao no ilaiko
amin'ny sarotra
rehefa tsy haiko
ny hiady varotra.
Ianao no ilaiko
amin'ny diavina ;
tsarovy, lalaiko,
ka aza lavina !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/tiako-ianao | Tiako ianao | Nofy2 | Na maro aza no tsy tia ny fiarahako aminao
Ka milaza izao sy izao
Tsy mampaninona izany, tsy ataoko mampanahy
Tiako ianao, ampy ahy
Na iza na iza hanaratsy ny mombamombanao rehetra
Sy ny etsetra sy ny etsetra
Tsy hiasako saina akory, tsy hampiova izato faniriako
Tiako ianao, dia izay no tiako
Ireo mpaneso sy mpifosa toa mivadambadan-teny
Henoko eny lavitra eny
Tsy rarahiko izany, na inona na inona lazainy
Tiako ianao, izay no tsy hainy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/diso-lalana | DISO LALANA | Ora | Kamboty mbola zaza ianao ry MANITRALALAINA
Ka tsy mba nahalala ilay hoe fitiavan-dRay
I Neny irery mantsy no nitady izay ilaina
Sady nitaiza antsika enina mianadahy
Ianao no faravavy tamin’ny naterany
K’ilay fitiavan-dreny tsy manam-paharoa
Fitia ts’isy fatra no indro fa nazerany
Taminao ry zandry, eny nitobaka avokoa
Hatsiaka mamanala no notafian’I Neny
Niady irery izy satria “tokana-iray”
Nisikina, nifofotra, nitotototo ombieny
Mba itovizantsika amin’ireo manan-dRay
Nomen’I Neny anao fitia tena mamy
Fitaizaina tsara sady ara-pivavahana
Natokany ho anao ilay tena siramamy
Natorony anao koa izany ”tena làlana”
Hatramin’izao I Neny mbola miady ihany
Na dia efa hananika ny enimpolo taona
Rasomaso lava, sento ary koa tomany
“Tiany loatra mantsy ianao” ka tsy tantiny hoe hivaona
Dia avelanao ho very momoka va re?
Ny filofosany hatr’izay nanolokolo anao
Ianao hono mantsy tsy nanaraka arabe
Fa toa nivily làlana nanao ny tsy fanao
Tsy fantatrao intsony ny làlana mahitsy
Izay natoro anao teny an-tenantenan-dàlana
Toa hadinonao ireny anatra…. Indrisy!
Fa indro ianao nizotra nandray ilay sampanana
Nihoatra fefy ianao, nihoatra ilay vala
Toa tsy henonao ity Reninao Malala
Nandràra anao tsy hisotro, nitaona anao mba hiala
Nefa ianao vao maika tsy maty afon-tsigara
Honena anao iky izahay zokinao
Am-pijerena anao misedra ity fiainana
Heverinao mantsy f’izay no vaha-olana
Ka inianao tsy henoina ny anatra natao
Asa na ianao no tena mafy loha
Na izahay mpananatra no efa tsy mahavoa
Mino anefa aho ry zandrinay LALAINA
Fa any andro iray IANAO MBOLA HO TONGA SAINA. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/baiboly-efa-rotika | BAIBOLY EFA ROTIKA… | RRAG | BAIBOLY EFA ROTIKA…
Somebiseby ‘ty ny foko, hamonjy ilay fiangonana,
‘zay foto-pinoako, na dia avy aza ny orana.
Baiboly efa tonta, efa rotidrotika ihany,
no indro mba fivimbiko, toy ny isan’andro hatrany.
Dia aty amiko ny jery, ny maso-mpitazana,
toa mandinika ny akanjoko, mandinika ahy fatratra!
‘Ndreo mihazonazon-doha, dia mitsiky toa maneso!
Mandinika ny an-tanako, dia mody mivetso.
Nefa toa mandatsa ihany!
Tsy ahoako akory, fa io aza no mba lovako,
sisa lova mba tsy ringana, nanaraka an’i Dadabeko.
Ka na ho maso an’alin-kisa, na ho eso tsy hita isaina,
dia hiniako tsy ho hita, tsy ataoko hamaky saina.
Nanomboka ny vavaka, Genesisy tamin’izay!
Io ‘lay toriteny niavaka, ho tahiry mandrakizay,
fa voaloha-namakiana, ilay baiboly rotiko!
Voaloham-bakiteny, ren’ireto sofiko!
Baiboly efa rotika, efa sisasisam-patana!
Baiboly efa potika, efa tokony ho any am-pasana!
Nefa mbola toa tsy foiko, fa tsiahin’ny omaly,
dia ‘lay tany am-piangonana, foiny ny foko falifaly,
noho ny nandinihanao ahy, eny! Ambony ambany!
Ka tsy nanananao ahiahy, ny mba nanontany,
hoe:”Avy aiza izato boky, toa tahiry tsy mba maty?”.
Dia hoy aho taminao: “Tsy avy aiza re, fa tao anaty”.
Nefa toa nampitsiky anao!
Somebiseby indray ny foko, ny hiverenan’ilay andro,
hany tokam-baiboliko, izay nahitany ny masoandro.
Toy ‘lay nentinao, tsy mba narahinao latsa!
Fa tsinjaram-po mangina, nefa dia toetranao mahazatra! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/namana | NAMANA | Ravanondrazana | NAMANA
"Namana", hoy ianao,
tamin'ny valin-kafatra,
no hanajanonana ahy.
"Tsy mira ho tia anao,
na dia sariaka fatratra,
miangola, tso-panahy.
Nefa kosa indrindra
na ianao na olon' iza,
dia ekeko samy tiako,
fa namana tsy ariako!
izaho aloha be resaka,
somary mihanihany,
fa tena fombako io.
Miakama bandy betsaka,
Tsy hoe midika izany,
Fa maol'aho ka kaotio." |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/teto | TETO | Ravanondrazana | TETO
Ambatobaraingo !
Teto no latsaka izany tavoniko,
Teto no niana-namindra ny tongotro.
Teto no niana-niteny ny vava,
Teto no tsiaron'ilay fahazaza.
Ambatobaraingo !
Teto no fanabeazana ho ahy;
Teto no fototry ny ara-panahy.
Teto no nianatra ny hadalana
Teto no niainako ny fahotana.
(Teto no niana-panaon'ny tontolo,
Teto ny ditra: nataoko daholo...)
Ambatobaraingo !
Teto no nisy ny tobin'ny harena,
Teto no nisy nangataka omena.
Teto no fiaina-nanefy ny toetra,
Teto no rivo-namoha ho "poeta".
Ambatobaraingo !
Teto no fototra nisy ny namako,
Teto no taitra izany fitiavako.
Teto no nisy an'ilay olo-tiako,
Teto no ivon'ny fianakaviako.
Ambatobaraingo !
Teto ny fiainako hipoka sedra;
Teto ny ho aviko nisy nangeja.
Teto no saika ho faty marary;
Teto ny tena: nisanta-mosary.
Ambatobaraingo !
Teto ny lasako sisa nilevona...
Teto no diariko tena matevona.
Teto izy ireny mifasana ho iray,
Teto ny maty dia velona indray
rehefa fohazin'ny saina mahay.
(Fa tanindrazako mandrakizay!) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ry-tily | RY TILY! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | RY TILY!
Ny Tily tena Tily
tsy mitady dera
na doka avy amin'iza
tsy mitady laza
amin'ny asa fanompoany
fa maneho hatrany hatrany
ny tena fahavononany
Ny Tily tena Tily
tsy kivikivy foana
amin'ny asa hiandraiketany
fa sahy mijoro hatrany
n'inona n'inona mitranga
n'inona n'inona fisedra
miserana eo imasony!
ny Tily tena Tily
manaiky ho fehizin'
ireo lalàna folo
sahy miaiky hatrany
izay mety ho hadisoany
indrindra ny hakamoany
TILY : toe-tsaina miabo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mivaro-pasana | MIVARO-PASANA… | RRAG | MIVARO-PASANA…
Efa adala tokoa angamba,
ka tsy menatra intsony.
Atao mody jamba,
nefa gaigy mihitsy itony.
Aiza ka dia fasana avy,
no atao fitady vola!
Tsy mahalala izay fady,
fa angaha dia diso maty noana?
Efa toa tsisy hasina,
na lanjany intsony!
Manao varotra miafina,
ka ny fasana no hafoy.
Very saina mihitsy!
Olon- tsy misy dikany!
Na dia tena hoe tsy misy,
dia atao tsy misy vidiny,
ny fasan-drazana niaviana!
Ny tody mety tsy hianjera,
ny lahatra koa toa tsy hamingana!
Fa aiza ny hasim-pirenena?
Ny fotony aza toa efa ringana!
Nosoketainy ny asa vita,
dia nodorany ho lasa lavenona!
Norotehiny tsy ho very sy tsy ho hita,
nototofany mba ho hafenimpenina!
Ka na ny tsiny aza mety tsy hitsitsy,
fa hikapoka hiezaka hanitsy.
Hananatra sy hanafay anao,
ry olombelona mpiraorao.
Mpivaro-pasan-tsy mataho-tody,
tsy mihevitra ny ho olona mody,
am-pasa-natao ilevenana,
faka hitsirim-panenenana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nangina | NANGINA… | RRAG | NANGINA…
Manao ahoana ianao,
fa dia nangina ela?
Inona no vaovao,
sa ny lasa no tavela?
Arahaba no indro atolotro,
tsy maty fo aman’aina!
Io no laza ataon’ny molotro,
mifamatotra amin’ny aina.
Manao ahoana ny adidy,
izay hitolomanao mafy?
Aza hadinoina ny misafidy,
tandremo sao safidy ratsy.
Nangina fa tsy heno,
efa noheveriko fa maty!
Kinanjo ianao niseho,
ka nidoboka tsy tanty,
ny foko vao nahita,
nahatazana avy ilavitra,
anao ‘lay niampita,
ilay fiainan’ny fiavotra,
fanavotra ho anao!
Manao ahoana ireo ankizy,
sa variana milalao?
Fa toa mangina izato izy e!
Inona no mahory anao?
Etsy! Etsy hoe mba ambarao,
hitadiavantsika hevitra!
Eo re mba zarao,
sao misy ihany tetika.
hamahana izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-fiangotiko | ILAY FIANGOTIKO… | RRAG | ILAY FIANGOTIKO…
Ilay sento miary ireo tomany!
Ilay tsiky rako-tambitamby!
Ilay fihetsika maneho,
‘lay hanta arahim-peo!
No fiangotiko mazàna,
mpivahiny toa tamana.
Ilay ranomasoko nilatsaka!
‘Lay ‘zaho nianjera tampoka iny,
no tahiry mampanembona,
‘lay fiangotingotiko iny.
Ilay ràtra tsy mba sitrana!
Ireo fery izay nilona,
no tahiry nahavizana,
‘lay fo leo nisaona!
Nefa mbola sahy nitraka.
Dia ‘lay fiangotiko,
no fanafody hafa fiasa,
nampatsiahy ny voatahiriko,
izay napetraky ny lasa!
Dia io fiangotiko io,
tsy mba foanan-taona maro,
hita na dia nifangaro!
Eny, toa tsy lefin’ny fandio!
R’ilay fiangotiko,
raha teo mantsy izao ‘lay tokana,
fanehonao talenta!
Dia izy no hiangotiako,
tsy ho hisy fetra!
Ho tsiahy ho anao,
‘lay hany tsy nandao,
ry sento sy hafaliana,
Namam-pahazazako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nomena/tsiaro | Tsiaro! | nomena | Eh ! Tsaroako ankehitriny,
Ilay fihaonantsika roa
Mitamberina ny fahiny,
Tsy mety miala ato an-doha.
Fa fitiavana niredareda,
No efa natolotro anao
Na dia maro ary ireo sedra,
Mbola tsy niova hatramin’izao
Nifandimby ny ratsy sy ny soa
Niezaka hampisaraka ny fo
Nefa haintsika ny tsy hisara-droa
Nitana ny fitia tao am-po
Ankehitriny, averiko ihany
Ho henonao hatrany hatrany
Fa ny fitiavako tsy ho zaraiko
Fa ho anao irery ry lalaiko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireo-no | IREO NO… | RRAG | IREO NO…
Vetso sisa ity mitroatra, mikiky mafy ny ao anaty!
Tolo-namoizan’aina, fery nilona ka tsy tanty!
Indreo no re manery mafy, ny fo hitolona tsy fidiny!
Ireo no faka toa nandidy, ny fo handà izay safidiny!
Na dia tsapany ny fitepo, sy fidobo-po.
Na dia hita fa misento, vao mahatsiaro ireo taloha.
Dia toa hiniany hototofana, hovesaran’izay tsy zaka.
Dia mihevitra izy mantsy, fa ho tena tompondaka!
Tsiaro sisa fitanisa, sendra eo amorom-patana!
Toa angano feno arira, miafara hatrany am-pasana.
Ho levona eny toy ny lasa, noterena hohadinoina.
Ho faty hatramin’izay kinasa, foiny ny fo ilay voadona!
Ka na aloka hikapoka, hitanisa irony lasa!
Ka na fery te hidaroka, tsy mety ho vita sy ho fafa!
Dia toa minia misangevana, manosy ny hasina anaty!
Toa lavadava-pahaverezana, tsy fasana fa vatam-paty!
Vatam-paty mitahiry, ny lasa iriko hilevina!
Vatam-paty mitahiry, ireo tsiahy mampievina!
Izay mari-pahatsiarovana, ilay lasa zary tsiahy!
Toa ahiako hifongotra eto, ka hamboly ahiahy!
Vetso arahin-tsiaro, mitamberina misafo,
ny saiko nitahiry, ‘lay fery tsy mba maina.
Tsiaro arahim-betso, mikiky ny aty fo,
mandrava ny efa vitako, maningotra ny aina.
Ireo no sisa toa nitsiry, tsy nisy tondraka akory!
Ireo no hany mba nifoha, fa tsy nety resi-tory!
Nefa indrisy fa toa vesatra, toa hazo fijalian’ny aiko!
Ireo no entako mavesatra, ‘lay nankarary izato saiko! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/rehefa | REHEFA | Ravanondrazana | REHEFA
Ny fiainam-pijaliana
no henika hafaliana,
Rehefa eo ianao.
Mangina lasa moana.
Mibanjina anao foana,
Rehefa eo ianao
Ny ora na manenjika
Tsy reako mihetsika,
Rehefa anilanao.
N'ovina dia mazoto
Mandeha mitotototo,
Rehefa hilainao.
Fanahiko no tsapako
Misitaka ny vatako,
Rehefa orohanao.
Ny aliko eto an-tany
toy ny an-danitra any,
Rehefa handrianao.
Ny rivotra sy hatsiaka
Ny orana aman-driaka
dia rava sy nandao
Rehefa eo ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/niaritra | NIARITRA... | RRAG | NIARITRA…
Ry Neny tiako: “Niaretanao ny mafy,
nitolomanao ny ady, sy ‘reo sedra tena mafy,
nisavily ny fiainana, sy ny tokantranontsika”.
Ry Neny, tsy voavaliko ireny,
tsy ho voatanisako ihany koa,
na dia lazaina ombeny ombeny,
fa mora izany manao soa.
Ka na herim-po an’alin-kisa,
na volabe manapitrisa,
no ataoko takalo, ‘reo zava-tsoa nentinao,
dia diso aho.
Na fahendrena ananako aza,
moa tsy lova avy aminao?
Ny fahafahako milaza,
fa Reniko, eny tena reniko ianao.
Dia raki-po ‘zay isan-dova,
tsy maty am-poko velively,
fitepo tokana tsy miova,
dia tiako ianao, tiako ianao ry Neny.
Ianao ilay niaritra, na dia efa onja aza!
Ianao ilay nahandry, na dia sedrain’ny ady lava!
Tsy iza re ry Neny, fa ianao irery ihany!
Ka na ho levona ny tany,
na ho foana ny anio,
dia hotanako fambara,
‘fay fiaretanao madio,
tsy niandrasanao ‘zay tambiny,
na ‘zay ho sisa ambinambiny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ianao-1 | ANY IANAO… | RRAG | ANY IANAO…
Mangatsiaka izato aliko,
ka mitanisa aho ny tsiaro,
izay nandrakotra ny omaliko,
tsy dia tiako ny hifangaro.
Any ianao any!
Asa! Mety koa nanadino!
Any ihany any!
Ny hahatsiaro, toa tsy hampino!
Any ianao,
eny an-tratran’olon-kafa!
Toa variana milalao,
dia nanadino irony lasa.
Any moa ianao,
tsy ho resin-tambitamby i?
Ka nahavita ny nandao,
satria tokoa efa tsara mpiandry!
Mangatsiaka ity ny aliko,
hitanisàna irony vita,
tan-dranomason’ny omaliko,
ka ankehitriny toa tsy ritra!
Any ianao toa ravoravo,
tsy mahatsiaro ahy intsony!
Toa hoe tafanika ny avo,
fa namabo izany fony.
Nefa, izaho toa tsy matory,
miandry anao ny mba hiverina.
Na dia tsy sitrako akory,
dia zary fery nampanenina,
ilay fotoana, niandrasako anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/atombohy | ATOMBOHY | Ravanondrazana | ATOMBOHY
Atombohy ilay
Dobodoboka,
kapoka aponga!
Dabodaboka,
hazeran'ny daroka!
Rediredy,
mandrevy kilonga!
Rodorodo,
mandositra aloka!
Ridiridin'
ny tara vao tonga!
Donadonaka,
rahona an-danitra!
Lavadavaka,
mangoaka fandrika!
Refodrefotra
kotroka am-baratra!
Redoredona,
manaka-danitra!
Tabataban'
ny basy mirefotra!
Donadona,
mahadizaka antitra!
Vorivorin'
ny ambanilanitra!
Totototon'
ny mbola matory!
Trerotreron'
ny dizin-drongony! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/norarana | NORARANA… | RRAG | NORARANA…
Tsy ny foko izay niaviany,
sy ny fombafomba taniny,
na ny endrika amam-bikany,
miary toetra izay ao aminy,
no nentin’izy ireo nandràra,
ny fitiavako anao.
Tsy ‘zay foto-nipoiranao,
somebin-dasa efa vita,
na koa ny maha ianao anao,
sy ireo hafa mbola tsy hita,
no nentiny nandràra,
ilay fitiavantsika.
Fa toa fijery hafa mihitsy,
fankahalana tsotra izao,
tinarafina ho mahitsy,
nefa lolom-po no ao.
Lolom-po ‘zay tsy hita fototra,
resaka mifotopototra,
tsisy lohany sy vodiny,
lefa lazainy hoe zakao, izay ho todiny.
Noraràna tsotra izao,
isika roa tsy hiara-dia!
Noterena tsotra izao,
tsy hifanolotra fitia!
Ka kinendrin’izy ireo,
ny hanasaraka antsika!
Teti-bitan’ireo,
ny hamafa ny efa vita,
dia noraràny isika!
Dia noraràna isika,
Tsy hiaraka hiampita! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitsingerina-2012 | MITSINGERINA… | RRAG | MITSINGERINA…
Toa tsy nofy intsony,
‘ty androm-pahatsiarovana,
mitsingerina anio!
‘Lay andro hany tokana,
tsy foana na hodorana,
tsy lefin’ny tadio!
Arahabaina ianao,
inty! Raiso ny tanako!
Arahabaina ianao,
etsy! Hofihiniko rahavako!
Fa andronao anio,
ka aleo tsy holalovana!
Dia izao no tadidio,
fa ny androm-pahatsiarovana,
dia tsy hisy tahaka io!
Mitsingerina androany,
ilay nahaterahanao!
Ka ny foko manontany,
hoe: “Mbola zaza ve ianao,
no mila tosika hatrany?”
Raha vao hiampita ady mafy,
migogogogo mitomany!
Moa sendra kapoka tsy tanty!
Mahereza fa lehilahy,
lohan’ny fianakaviana!
Mitsangana rehefa sahy,
asehoy an’ilay tiana,
izay minia tsy mijery,
fa manankambo koa ianao!
Na dia mody tsy miteny! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fela-maina | FELA-MAINA… | RRAG | FELA-MAINA…
Hatsiaka mamirifiry! Injay misavovona ny lasa!
Nanafoana ny anjaran-tsafidy, rava hatramin’ireo nokinasa!
Nalazo ny felam-pitiavana, tsy noheverina mora ho maina!
Kinanjo ‘lay hoe maitso mavana, ravi-nihintsana maraina!
Misaona tokoa ve ny tany, toy ny hoe very olomanga?
Misento dia indrao mitomany, ilay fo fa hoe tena jamba!
Nanantena tsy nisy, ny higokan’ny mamin-tsafidy,
dia nitia ka nieza-niampify, nefa injay nitroaran-tadidy!
Fela-maina no sisa tsiaron’ireny lasantsika ireny!
Toa fijery nifangaroharo, fihatsarambelatsihy teny ho eny.
Misononoka ery ‘zao mandrakotra, ny fery efa niaritra ela!
Ny fofo-maimbo voatahiry, mety hamongatra ireo ‘zay tavela,
ka hamatotra ihany ny tenany, hitondra fikorontanan-tsaina!
Hadino ilay tondratondraka, sakafom-pitiavana ‘zay nantenaina.
Hafaliana mamiratra an-tava! Toa nofy ireny ankehitriny!
Fela-maina ‘zay efa nihintsana, no sisa mba nivahiny,
hany sahy niroso nitsidika, ‘lay lapam-po nitia mangina!
Foana teo avokoa ireo rehetra, hatramin’ny vinavina.
Fela-maina toa tsy hadinoina, fa fitia lalim-paka ao anaty!
Fela-maina ‘lay ivom-pinoana, fa nampitraka ny fo tsy nahatanty!
Ka niroso nitolon-tsy niato, amin’ny setrasetran’ny hafa!
Amin’iretsy minia manarato, mangalatra avy eo dia mandràtra.
Fela-maina mitahiry tsiaro, sy ‘reo lasa tanaty kinasa!
Fela-maina nitondra hirifiry, hatramin’ny teny mandatsa!
Rahoviana ‘zany vao hoe hitsiry, hamelana indray ny fitia?
‘Ndeha atao tsara tondraka mihitsy, tsy hoe dia hiriaria! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozim-pasana | RAOZIM-PASANA… | RRAG | RAOZIM-PASANA…
Tsy noheveriko ho somongamonga, ilay fitia natolotrao!
Tsy noheveriko ho sangisangy, eny hatramin’izao.
Nefa indrisy fa ankosotra loatra, toa niloko fotsiny ihany!
Tsy mba lokon’ny fo te hivoatra, fa dia lokom-bolontany.
Tsy noheveriko ho anio dia anio, no hifarana ny endri-tantara!
Tsy noheviriko ho izao dieny izao, no hadinoina ‘reo sora-tsara,
tamin’ireny lasantsika ireny, ‘zay hany toa sisa tsiaroko!
Kinanjo alahelo ni misomebiseby, manarona ny atin’ny tranoko.
Toa nokiriko nalevina ihany, nefa injay toa nitsiry tsy maty,
ilay fitia izay nihiboka fery, no misononoka miery ao anaty.
Nototofako hilevina f’indrisy, naniry tsy nilàna tondraka,
‘ty fitia efa ravan’ny omaly, no nitsangan-tsy nety nirodana!
Teo ny foko vao nilaza tsy nahy, hoe fitia raozim-pasan’ny ràtra,
no niverina nahajamba ahy, tety an-kianja nahazatra!
Na dia efa hita taratra aza, ny ho mety mbola hiafarany!
Na koa vinaniana handoatra, ny fery efa ambanin’ny tany!
Raozim-pasana nitsiry fanahy, sisasisa fa tena manonja!
Raozim-pasan-tahirin-tsiaro, trano ihany miary fonja.
Dia raozim-pasana ihany anefa, no mety ho fanalahidy,
ka aleo hitamberina eny, ny tsiarony mbamin-tadidy!
Dia ny omaly toy ny anio ihany, ny anio hitoetra rahampitso!
Ka na hisitrika ambany dia ambany, hoe hilefa ny ady masiso,
dia hitambesaran’ny lasa tsy maty, naizanaiza ny tany aleha!
Tsy maintsy hiafaran’ny tomany, na hijanona aza ka tsy handeha.
Raozim-pasana mpikiky, toa koa mpanjaitra ny efa tataka!
Ilay famatotry ny hoavy, mety hitondra ho any an-davaka.
Raozim-pasana mpanitatra, ny fery maimbo sy masiso,
nefa mpanamaina ràtram-po, sy mpitsabo ny ampitso. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/sanatria | Sanatria | Lahatra Natiora | Sanatria
Taloha aho tia anao fa tsy nasianao sarany
Eny, nambaniana sy tsy nasianao vidiny
Nionona ny foko fa efa hoe tsy anjarany
Tsy nierika azy akory ilay mba nofinidiny
Nampiononoko ny foko mba hilamina sy ho tony
Nampanginiko ihany koa ny fitiavako anao
Nampianariko ny saiko mba tsy ho tia anao intsony
Fa ndrao hanjary ratra sy fery vaovao
Ankehitriny kosa aho efa tojo ilay anjarako
Fa ny aminao rehetra efa adinoko daholo
Ilay tiako sy tia ahy no nantsoiko hoe malalako
Nanolorako ny foko sy ny saiko manontolo
Izao indray ianao,... nilaza hoe nanenina
Niteny ihany koa fa tena babo ankehitrio
Kanefa anie aho taloha ka nodianao be marenina
Izao ny ahy ny teniko sy tena tadidio, fa :
Sanatria dia sanatria raha izaho no mbola ho tia
Ilay fitiavako anao ange ka nahilikao fahiny e !
Voadona taty angaha ka niverina taty ??
Efa sambatra ny foko fa anilan'olon-tiany ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nivoady-taminny-fasana | NIVOADY TAMIN’NY FASANA… | RRAG | NIVOADY TAMIN’NY FASANA…
Aloky ny lasa, no hany mbola tanany.
Ranomason-datsa, no no injao lazainy fa fananany.
Foana tan-tsegaondra vitsy, ireo ora nifaliany.
Lavo sy resim-pahafatesana, ilay olona lazainy ho tiany.
Ny dina efa vita, narahim-belirano,
no nanjavona tsy hita, nalevin’ny onjan-drano.
Dia indrao nisasasasa, ny ranomason-tavany,
fa lavon’i Mahajanga, ‘lay sombim-po tan-tratrany!
Ka zary lasam-pasana, irony voady vita,
zary tototany, naleviny tsy ho hita.
Nefa ny tao am-pony, mbola toa tsy lefy,
toa hoe ratsy rafitra, eny ratsy tefy,
ilay fitiavana, zary toa tomany!
Eh….! Ka nitotofan-tany!
Nivoady tamin’ny fasana, fa tsy hitia hafa intsony.
Nivoady tamin’ny fasana, ho anao mandrakizay ny fony,
satria angamba lahatra, tsy azony hodivirana.
Nanoroka ny tany izy, dia injay fa mirana,
sady niteny am-pony hoe: “Ianao tsy hosoloiny!” |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-hoy-ny-foko-ianao | IZA HOY NY FOKO IANAO? | RRAG | IZA HOY NY FOKO IANAO?
Ry tovovavy be fihaingo, mibikàna an-damaody,
mirehareha fa mpitovo, alin’andro tsy mba mody.
Mba iza moa ianao, fa tsy mahalala setra tany?
Toa heverinao vinany, ireo nambaran-joky omaly.
Ry zazavavy be fidola, mpanadala vadin’olona,
manantena fa fiangola, no tena hitiavan’ny olona.
Mba iza moa ianao, toa nanantena ny tsy nisy?
Toa nihevitra ho tafita, nefa izy efa dify.
Ry voninkazon-tsaha maraina, ilay famelon’itsy tany,
vakio anio izay taraina, nosaronan’ny tomany.
Ka ny lasa hadinoy, raha tady handràtra ny ao anaty,
nefa aza tena hafoy, ireo tsara mety ho tanty.
Ry voninkazon’ny ala maitso, ny fidobo-ponao manaitaitra,
manery anao hitia mangina, nefa aza atao mahataitra.
Fa isan-tendrim-po izany, na dia tsy haharitra aza,
sy koa fitia kilalao, eny toa fitiavan-jaza.
Ry kanton-tany mody jamba, hianjera indray ianao,
fa tsy ny bika sy ny hamanjana, no mety hitiavany anao.
Mba ovao re ny toetra, mba mahalalà ny henatra olona,
fa sao hiampita vao taraiky, ka zary toa fihomezan’ny olona.
Ry zana-javatra mianjaika, aoka re ‘ty avonavona!
Iza moa no tsy hiaiky, ny hakantonao ‘zay mahafanina?
Manaitra mason’ny mpitazana, toa tohatra fiakapiakarana!
Vao boboka eo anefa ianao, dia izy tsy hita fa hiova lalana.
Mba iza moa ianao, hoy ‘ty foko manontany?
Mba iza moa ianao, miseho mahery eto an-tany?
Ny zatra ady aza, ora iray dia efa lavo,
ka izato ianao: “Moa hahanika ‘ty avo,
amin’ity fijery akaiky, tsy mahatazana ny ilavitra?”
Aiza ianao no tsy ho taraiky, raha mbola eto ambany lanitra? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hoy-ianao- | HOY IANAO: …! | RRAG | HOY IANAO: …!
Hoy ianao:
“‘Lay fihantany mirindra,
‘lay fisento fanembonany,
ireo fitia tsara rindra,
sy ny adim-pitolomany,
no injay famato-boady,
nifanaovanareo dina,
fatomaty vitan-tady,
tsy lefin’ny alo-mpanakiana!” |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/gasy-aho | GASY AHO… | RRAG | GASY AHO…
Gasy aho fa tsy hihambo,
ny fireneko Gasikara!
Ka tsy hananako atambo,
raha misy hitetika ny hizarazara!
Gasy aho ka tsy hiaiky,
ny ady seza ataonareo!
Gasy aho ka tsy hanaiky,
ny fitiavan-tena aseho!
Ka na ho latsa na ho eso,
no hanerena ahy hangina,
dia mbola ambarako eto,
fa mbola ataoko fanahiniana,
ny hanenjika ireo,
Gasikely mpandrava!
Ny hamonja azy ireo,
tsy hahita ny mazava!
Gasy aho fa nahoana,
no misy ny Gasy, refona noana,
tsy mahita ny arapaka.
Eny, na dia efa mangataka!
Gasy aho nefa kosa,
raha ny toetra ato anatiko,
dia tsy tia fosafosa,
na misy aza tsy tantiko.
Gasy aho,
Gasy ianao,
ka andao isika ireto,
iaraka hiady sy hiray sento,
amin’ny sedra mamatotra ny firenena,
mba ho amboara tokana, dia ny fandresena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/asa-misy-fafiny | ASA MISY FAFINY | Ravanondrazana | ASA MISY FAFINY
Ianao ilay olon-tiany.
Maminy sy tompony, hatramin'ny fahiny.
Ianao ilay miakanjo mitsidika isan'andro
Ny ankany manasaraka,
Ny misy an'izy mianaka.
Rehefa injay maraina,
Dia niova ho biby saina
No sady tsy mitsitsy...
Jereo ny sombiniainy
Fa natokanao mihitsy...
Ny donginy tsy tapitra,
Kanefa ianao miharitra
Ny mety hofifandirana,
Satria ianao te ihinana...
Mbola ataonao ihany ny
Misafo ambony ambany;
Amin'ny tana-malalay
Efa zatra mandraindray,
Izao vatany malefaka...
K'atao tsy anki-petraka
Misafo ny any aoriany.
Fa ao no mahasorona
Manova anao ho tiany.
Kanefa vono vorona e!
Hay fika fotsiny io!
Hiterena izato nonony;
Hamoaka ny rononony,
Ho vola kely anio. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faka-tsy-hita-fototra | FAKA TSY HITA FOTOTRA… | RRAG | FAKA TSY HITA FOTOTRA…
Tsy hoe maneso akory,
raha milaza izao,
na koa manasoketa,
ny hany vitanao,
fa te haneho fotsiny,
ny hevi-mitahiry,
vao maraina teo,
no reko toa nitsiry:
“Faka ratsy fototra,
no rafitra navoatra!
Lava-tsy nitototra,
no zary hararaotra,
mitambesatra eny,
zary zoga vidi-mirary!
Modian-tsy miteny,
nefa toa marary!”
Tsy hoe manambany,
raha milaza izao:
“Fa raha ny tomany,
na koa ny ranomasonao,
tsy afaka ny hanafaka,
ny firenena itambarana,
‘zay latsaka an-davaka,
‘lay toka-nifatrarana,
foiny tsy noheverina,
fa mety hitamberina,
ka ho zary tody,
tsy ho sitram-panafody,
ilay ankasomparana,
‘zay tsy ela dia hifarana,
ka hototofan-tany,
ho tsara faka ihany,
na dia tsy hita fototra”. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/navadika-ny-pejy | NAVADIKA NY PEJY… | RRAG | Ny lohateny no niova,
fa ny tantara iny ihany.
Ka ny lasa izay nandroba,
no noraketin’ny omaly.
Saingy mbola misitery,
manita-pery tsy ho zaka.
Fa mbola misy tsianjery,
hola-pery voka-dràtra.
Ny pejy no vaovao,
fa ny tantara iny ihany.
‘Lay misy rango-peninao,
nametraka tomany.
Tao anaty ranomaso,
Izay tsiaron’ny omaly!
Mbola miendrika ankaso,
sisam-paty ve izany?
Na dia navadika ny pejy,
toa ny lasa lasa ihany.
Tanjona hafa no kinendry,
nefa ny omaly indray no tamy.
Ny lohatenin’ny tantara,
dia ny lasam-panenenana.
Toa voaozon’ny anjara,
hiforitra amim-pandeferana.
Na dia manimbanimba saina,
sy tsy zakazakan’ny aina,
‘ty ràtra lanjam-po mangina,
ka nanototra ‘reo voady,
izay efa vita dina,
fa hosoritina amin’ny hoavy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/ho-anao-ry-tiako | Ho anao ry tiako | Lahatra Natiora | Ho anao ry tiako
Tononkalo iray niangaliako fatratra
No indro efa nomaniko, hatolotro ho anao
Ianao no nofinidiko handray izato hafatra
Ary koa handre izao teny mamy izao
Ny bitsiky ny foko manakoako anaty
No hery iray nanosika ahy hanoratra izao
Tsy azoko kobonina fandrao ka hahafaty
Ilay vetsoko mangina sy faniriana anao
Teny anankiroa, na koa litera folo
No entiko hilazana ny ato am-poko manontolo
Ilay teny "Tiako ianao" no avy dia ambarako
Hifampitantana amiko, handravaka ny lalako
Izaho izay manoratra, efa fantatrao angamba
Aza omena tsiny fa ny foko anie ka jamba e !
Potika tanteraka, lavon'ny fitia
Maniry mafy indrindra ny ho eo anilan-dry
Faniriana ny ahy, fikasana fotsiny
Ny fanapahan-kevitra ? Ianao no tena tompony
Ka andrasako milamina izay valin-teninao
Eny, am-pitoniana hatrany ! Fa tiako loatra ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-hitomany | RAHA MBOLA HITOMANY… | RRAG | RAHA MBOLA HITOMANY…
Aleo ianao mody, raha mbola hitomany,
tsy ho zakako mantsy, ny hamafin’iretsy fahatsiarovana,
notehirizinao, ka tsy lefin’ny omaly!
Injao indray minia mitsiry, zary olana tsy tototra tany,
ka mikiry mitamberina, misetra mampijaly,
ny fonao! ‘Lay fitiavam-pandalovana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lahatra-natiora/tiako-ianao-kanefa | Tiako ianao kanefa... | Lahatra Natiora | Tiako ianao kanefa...
Ny andro iray voaloha
Nihaonantsika roa
Dia nisy dobok'onja
nanonja dia nanonja niserana tanatiko
Ary mila tsy ho tantiko
ny nibanjina nijery ireto masonao mamiratra
Fa lasa tia anao 'zany foko adaladala
naniry mafy indrindra ny hiantso anao ho "malala"
Saingy... tsy azoko natao ny nilaza taminao ny fitiavako satria :
Na aza hoe nandoro 'zany afon'ny fitia
tiako haboraka amin'dry
Mantsy izany foko efa manana ny tompony, efa manana mpitia
Ka aoka tsy hambarako
ny nofinofy adalako
Fa ny dinan'ny fitia nomeko ilay lalaina
Izay no 'ndeha hohajaina
Fa tokana ny foko ka tsy azoko zaraina.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-rariny-sy-ny-hitsiny | NY RARINY SY NY HITSINY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ny rariny sy hitsiny, izay dradradradraina,
aleo horesahina, aleo hotantaraina;
amin’ny vaninandro manahirana ankitriny,
fa tsy hodian-tsy hita, sao hananan-tsiny.
Ny rariny sy hitsiny, tsy azon'ny iray tanàna;
satria fisaka ny rariny, ka sarotra zahana.
Manify koa ny hitsiny, tsy atao tazan-davitra,
ka mila fahamalinana, raha tiana haharitra.
Ny rariny sy hitsiny, mandamin-java-maro,
anaty fiaraha-monina tia mampifangaro,
ny mainty sy ny fotsy, ny diso sy ny marina,
ho to sy ho azo iainana haha-tafarina.
Ny rariny sy hitsiny, tokony hojerena foana;
itodihana ny lasa, hotazanina ny manoloana.
Ahafahana mahita, izay hatao sy hoekena
hampiharina an-kitsim-po, am-panetrentena.
Ny rariny sy hitsiny, tsy tokony hadino,
teny roa manan-danja, an'izay rehetra mino.
Lazaina am-pahibemaso mba samy hahalala,
na ireo mpifankatia, na ireo mpifankahala.
Ny rariny sy hitsiny, hoy ny ntaolo teo aloha,
tokony ho soatoavina, ivakiana loha.
Sainina lalina hatrany ireo zava-misy;
hahitana ny marina, ny fankahalan-tsy hisy.
Ny rariny sy hitsiny, raha hakapoka ho iray,
tokony hokajiana foana anio sy mandrakizay.
Hisian'ny fifankatiavana, sy fifanampiana;
hahafaha-miaina tsara, lavitra fifandrafiana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy-fiadanana | TSY MISY FIADANANA | Fredy Jaofera | TSY MISY FIADANANA
Tsy misy fiadanana
ho an'ny ratsy fanahy ;
tsy misy fihavanana
ka andosirako, lahy !
Tsy misy fiadanana
ho an'ny mpangalatra,
na aiza, ananganana
nofy be tonga lafatra.
Tsy misy fiadanana
ho an'ny mpandainga
tsy hay nosakanana,
na mahavadi-bainga.
Tsy misy fiadanana
ho an'ny mpandrava
ka aoka hofaranana
fa resa-be lalandava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitaraina-ny-tany | MITARAINA NY TANY… | RRAG | MITARAINA NY TANY…
Fery toa tsy maina,
no zogam-pirenena!
Fo ‘zay mitaraina,
leom-pandemena.
Mitaraina ny tany,
k’injao miferin’aina!
Tinerin-tomany,
ka dia malaina.
Mihemotra tsy fidiny,
mitsoaka ny adidiny.
Mitaraina ny tany,
hoy Andry Andraina!
Mihetraketraka ny omaly,
‘zay ràtra tsy ho maina.
Ady efa tsy ho efa,
ny adim-panafahana.
Tolo-nampilefa,
fa tsy mba nilaharana.
K’injao nahazo vahana,
dia nisakan-dalana,
ilay ankasomparana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nandeha-i-neny | NANDEHA I NENY… | RRAG | NANDEHA I NENY…
Aza mitomany,
na misento akory,
noho ny laha-tany,
dia tsy maintsy ho ory.
Lasa i Neny,
‘lay fihantahanta iny,
voatery ny nandao,
satria mpivahiny.
Aza manaiky resy,
na mafy aza ny ady
mananà koa finoana,
na dia tsy nisy voady,
natao tamin’ny lanitra.
Sahia ianao mijoro,
na dia hoe mahantra,
tsy manan-kianteherana,
na koa mba ho hantenaina,
ka zary fahasorenana,
ny vesatry ny saina.
Nandeha i Neny,
nahoana no tsy hitomany,
raha mbola hahatsapa ihany,
fa avy amin’ny fonosany?
Eny, avy amin’ny filofosany.
Nandeha i Neny,
nefa tsisy azo hoe natao,
nanakanana azy,
fa io no raorao,
izay zary tady,
namatotra ‘lay teny,
hoe nandeha i Neny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foko-2012 | NY FOKO… | RRAG | NY FOKO…
Misento mitomany,
manina anao.
Injay fa manontany,
ny tena misy anao.
Nefa, tsy mba nahita valiny,
na niezaka aza!
Toa tsy nahita maminy,
na dia nitia mazava!
Ny foko tianao,
tsy henatra intsony.
Nefa sahinao,
sahinao ny nilaza,
fa mbola resi-tory,
toy ny zaza.
Ny foko ve no maika loatra?
Sa izy mihitsy no adala?
Fa maniry ny hitroatra,
sy hiantso anao malala.
Ny foko ve no diso tia,
ka nahandry anao tsy ho tonga?
Sa ianao ilay niara-dia,
tsy anisan’ny ho anjara lova?
Ny foko ve no tena jamba,
ka mila anao hatrany?
Nefa toa rovi-borodamba,
izany hatafinao ahy izany.
Hiandry ihany aho,
sao anefa ho tonga ianao.
Hiandry ihany aho,
fa mbola manantena anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitsingerina | MITSINGERINA | RRAG | MITSINGERINA
Mitsingerina anio, ilay andro nihaonantsika,
ka ny foko no injay, mitanisa ny efa vita,
sy ‘reo voady velirano, narahin-toky sesehena,
voady efa tamin’ny lanitra, toky vita tamin’ny firenena.
Mitsingerina anio, ilay andro hany tokana,
namborahako ‘lay feo, tahirin’ny efitro manokana,
dia ‘lay hoe tiako ianao, diso tiako loatra,
ka ny entam-poko anaty, no ahiako ho tafahoatra.
Mitsingerina anio, ‘lay andron-teny mamy,
nifanaovantsika roa, ka dia samy nitomany.
Mitsingerin’izy anio, ka hany tokam-panomezako,
dia ny manamafy hatrany, fa ianao no tehezako.
Ianao no hany fototra, hany antony hivelomako,
ka na iza hoe hisompatra? Dia ianao ilay tokako,
‘lay hany tokako eto an-tany, nanasitrana ny foko,
tsy mba tan-kisarisary, fa tena fitolokolokoko!
Mitsingerina anio, ireny lasa ireny,
lasam-pahafahana, nahafahan’ny fo niteny,
namoaka ny tahiriny, sy ny kanto indrindra,
nanala ny hirifiriny, nanova ny famindra.
Mitsingerina anio, ka hotsarovantsika izany,
aoka izay ny alahelo, avelao ny tomany.
Avelao ireo handeha, fa aza tànana ela intsony,
anio koa ‘lay andro, hahafaha-mampitony,
ireo mpifankatia hafa, nisedra ady mazana,
ka noteren’ny laha-piainana, notereny mba hisaraka.
Anio no hanehoako, fa mbola voatahiry,
efa ela ihany, fa tsy vao nitsiry,
ireto teny ireto, ka eo mba henoy:
“Tiako ianao, toa tsy haiko ny hafoy”. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mariazy-nofinofy | MARIAZY NOFINOFY… | RRAG | MARIAZY NOFINOFY…
Tsy tiako higadona ny ankaso,
hitondra ilay maraina vao,
sy izay hamboraky ny ampitso,
ilay andro fantatrao.
Fa hifaranan’ny nofiko,
hiatoan’ny tositosiko,
hiantombohan’ny sedram-piainana,
hialohavam-panaintainana.
Mariazy nofinofy,
mitondra ràtra fa tsy soa.
Nahatonga fo ho farofy,
nihibo-pery tao am-po.
Tsy tiako ho voadingana ny alina,
na ora tokana ihany aza.
Ny nofiko toa mahamanina,
indrisy nofy! Nofin-jaza.
Mariazy nofinofy,
voadim-po anaty nofy.
Fahasambarana indray alina,
fery toka-mahafanina.
Mariazy nofinofy,
tiako ianao, fa tsy mba nofy,
fa dingana iray no vita,
dia novinidim-po anapitr’isa!
Raha toa ka hotanana,
ny nofinofim-pahasambarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fony | NY FONY… | RRAG | NY FONY…
Tiany ianao fa aza manahy,
ny voady ny azy sora-drà.
Tsy lefin-drahona mandalo!
Tsy potiky ny amboaran-tsiaro,
izay mandrafitra ny lasany,
fa fototry ny tena kasany.
Sora-mitoetra,
tsy mba nasiany fetra!
‘Lay misoritra ao am-pony,
‘zay tsy mbola nohadinoiny.
Ny fony ny azy tsy manahy,
fa ianao no toa tsy sahy,
hiara-hitolona aminy, raha toa,
fantatrao fa hahasoa.
Ka ny fitia ‘zay voatahiriny,
tsy hozarainy amin’ny hafa.
Fa ianao ‘lay nofikiriny,
moa hanaiky azy ka tsy handatsa?
Na haneso ny fitafiny,
izay rovitry ny hasasaram-piainana,
ka any aminao, no mety azony hitarainana.
Tiany ianao fa aza matahotra,
manatona fa aza miahotra.
Fa ny fitia izay omeny,
dia ‘lay amboaram-pandreseny.
Tiany ianao ry tokan’ny ainy,
na dia mamaky ny sainy.
Tiany ianao na dia nandràtra,
toy ny soritry ny lasa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misy-any | MISY ANY… | RRAG | MISY ANY…
Misy any ho any,
fo mitia anao mangina,
ka aza mitomany,
fa ho avy foana ‘lay tena tiana.
Misy any ho any,
fo mitady toa anao,
fa aza miraharaha izany,
raha azonao atao.
Aleo izy handeha,
aleo hanova lalana.
Ataovy an-tsaina anie,
fa mbola tsy maintsy hifarana,
ny alahelo, hiniana hatonta,
holanjainao,
ny ràtra miary fonja,
hanjogainy anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-any-aminao | NY ANY AMINAO… | RRAG | NY ANY AMINAO…
Volamena fa tsy alimo,
na koa varahi-midorehitra.
Tsy miofo rahoviana,
fa hafa mihitsy izato peratra.
‘Lay avy any aminao,
fanomezana tsy foiko.
Tsy nasian-draorao,
ka horaisiko amin’ny foko.
Tiako ianao na dia tsy ambarako,
tsy tanisaiko isan’andro!
Tiako ianao ry ‘lay malalako,
ianao ‘lay tara-masoandro!
Ka ny any aminao,
no iandrasako fambara.
Fa raha ny hakantonao,
dia efa ela aho no tara.
Ny any aminao,
mba hampitao anaty tsiky.
Fa ny foko izao,
efa maika ny hitampify!
Fa miandry izay ho teninao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-izy | ANY IZY… | RRAG | ANY IZY…
Mangina,
aza mitomany akory,
fa izy any,
mbola resi-tory.
Manofy ny eo anilanao,
mbola tsy nandao.
Any izy,
mamerina tadidy,
mandà fa tsy izy,
‘lay tsy teo anilanao.
Satria izy,
mbola isan’ilay tao,
tao am-ponao tao.
Noho ny safidy,
safidy izay natao.
Any izy,
mihevitra ny tsy hohadinonao.
Any izy any,
miandry fo iray hitalaho,
miandry fo hahasahy hizaka,
olon’iray manjakazaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hoy-ny-foko | HOY NY FOKO…. | RRAG | HOY NY FOKO….
Tsy ny hakantom-bikanao,
na ny fitafinao mihaja,
na koa ny toky hatolotrao,
sy ‘reo nambaran’ny vava,
no hitiavako anao,
fa ny toetranao ‘zay miavaka.
Hany tokana eto an-tany,
zary endri-nampiravaka,
tsy nampietry ireo ambany!
Hoy ny foko hoe:
“Tiako loatra akia ianao a!”
Hoy ny foko hoe:
“Tsy foiko mihitsy raha ianao a!”
Ilay fitilin’ny masoko,
fitopitopy sendra hontsa,
mpifahavalo amin’ny ankasoko,
nanohana ahy mba tsy ho votsa.
Na vara-datsaka aza handrava,
arahin’orambe hanototra.
Dia ny foko injao milaza,
fa tsy ho repotra na poritra,
ny fitiavako anao!
Hoy ny foko hoe:
“Sanatriaviko ny handao,
ity akany fitobiako,
raha toa ka mbola eo ianao,
izay tsy hafa f’ilay tiako”.
Ka hoy ny foko hoe:
“Tiako foana ianao”. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mariazin-janako | MARIAZIN-JANAKO… | RRAG | MARIAZIN-JANAKO…
Nihiboka hafaliana, velon-dranomaso,
nitsiky toa mangina, fa resy ilay ankaso.
‘Lay mariazin-janako, ‘zay nofiko omaly,
no tanteraka ihany, k’injao ny foko faly.
Ora tsy nampoiziko, fa mbola ho hatrehiko!
Andro nofinofiko, ho tratram-pahanterako,
‘ty andro sarobidy, tokana aman-tany.
Enga anie ho hafaliana, fa tsy hivadika ho tomany!
Mariazin-janako, ‘lay niandrasako hatry ny ela!
Tonga ihany anio, ka hahafahako midera,
‘lay voady izay madio, nilofosany hatrizay.
Ka indro zary voady, voadim-po mandrakizay!
Mariazin-janako, tsy mba nofy intsony,
tsy tantara toy ny angano, na resa-bava tsy mitony.
Fa tena tantara toa tantara, ka tsy ho fanta-piafara,
nefa! Raha ny fahendreny, dia hinoako fa ho tsara!
Ry tokan’ny aiko, tokam-poko,
etsy ianao, hafarako ihany,
na dia tony aza aho,
ny saiko toa mandà izany.
Mahareta tokantrano,
na amin-tsedra na angano.
Na amim-paty sy aretina,
dia aza avela ho harafesina,
ny voady izay ho atao.
Sao ny foko hitalaho,
ka handràtra anao tsy fidiny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsaroanao-ve | TSAROANAO VE? | RRAG | TSAROANAO VE?
Efa elaela ihany,
ny nandaozanao ny foko.
Toa tsaroako eto izany,
na dia efa nohadinoiko.
Mba tsaroanao ve,
‘lay ‘sika roa niara-dia ?
Tsy nisy fatotra namehy,
ankoatr’ilay fitia.
Tsaroanao ve,
ireny isika roa mivetso?
Saingy indrisy,
f’izaho anio velon-tsento,
mahatsiaro,
ireo dingana naleha!
Ny lala-maro,
feno raozy be dia be.
Tsaroanao ve,
izaho namihina anao?
Nangina kely,
dia avy eo ‘ndray nitalaho,
hoe: “Tiako,
tena tiako raha ianao”.
Tsaroanao ve ireny,
sa efa hadino avokoa?
Ny ahy atỳ toa tsianjery,
nefa tady handràtra fo.
Tsaroanao ve ireny,
sa lavenona avokoa?
Satria ianao toa tsy miteny,
toy ny olona efa voa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/volantantelin-dranomaso | VOLANTANTELIN-DRANOMASO… | RRAG | VOLANTANTELIN-DRANOMASO…
Fifaliana kely, voatokana hiserana!
Fitia nitsianjery, nalaky ny namelana!
Kanefa, injay vao vaky ravina,
dia maina, sy nosaronan-javona.
‘Zay zavona matevina, arahin’oram-baratra.
Ka zary lasa nofy, ‘lay any hoe hisambatra.
Nantenain’ny fo, fa tsy lefin’ny ankaso,
nefa indrisy, vao namony dia natsatso.
‘Lay fitia tsy maty akory, fa ianao no nandeha!
Noteren’ny laha-piainana, hamakivaky lalan-kafa!
Nefa anie ny tao anaty, ka nahasahy nirehareha,
saingy indrisy lavo ianao, dia nanafoana ny kinasa.
Resin’ny fasana, ‘lay fitia vao mba namony!
Resin’ny fasana, ‘lay fo, ka tsy afaka hitony,
satria ianao dia nazerany, tsy navelany ho ahy!
Nofatorany nambenany, sao ihany ka hivaha!
Tsy voavahanao intsony, ilay tady nofatorany!
Ka zary hoentinao matory, amin’ny tany fiorenany,
‘lay fitia izay mamatotra, ny fontsika hiara-dia.
Na dia ho levona aza ianao, ny foko hihiboka fitia!
Volantantelin-dranomaso, mitahiry ràtram-po.
‘Lay fifaliana ora vitsy, no hany mba niotazan-tsoa.
Na dia niserantserana aza, ka nivadika ho tomany,
dia ianao tiako foana, raha mbola tany koa ny tany!
Volantantelin-dranomaso, tahiry tsy mba maty!
Mitoetra ao am-poko, zary nofy toa tsy tanty,
zary ràtra toa mamery, ka manindrona ny aiko!
Tsy ho zakako ny irery, miverena sombin’ny aiko! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-aliko-2012 | NY ALIKO… | RRAG | NY ALIKO…
Raha hisoka-bava aho, moa hodisoina ny teniko!
Raha saronana ahiahy, dia ho hafenina ny peniko!
Nefa ity no tsy tsarovy, fa ny aliko mangina,
tsy noho ny ranomaso akory, na miondri-pahoriana,
fa minia tsy miteny, minia tsy miloa-bava,
ka ny alin’ny ampitsoko, no haneho ilay mazava.
Ny aliko na haizina aza, toa mitaratra hazavana!
Ny lasako ‘zay maizim-bava, tsy hoe lasan’hadalana,
fa ao ihany irony tsara, toa kinafinafin’ny hoaviko!
Nahitako ilay anjara, nampiakariko ho vadiko.
Ny sentoko toa maivamaivana, fery mainan’ny fitia!
Ny lasa izay famaizana, tsy nihombo ho ràtra sanatria,
fa toa zary fanafody, nanasitrana ny feriko.
Zary amboara nenti-nody, namafana irony neniko.
Ny aliko tsy harena, fa fananana tsy foiko!
Io no alim-pandresena, taratry ny tena toloko!
Ka na ny tsy hita sy tsy vita, nofy fotsiny anio,
fa ny aliko niampita, no nandresy ilay tadio!
Ny aliko, toa fisetran’olon-dratsy,
misokosoko moramora, ka harabi-mpanaratsy.
Nefa tsy voahozongozony, na matanjaka aza izy,
fa ny lasany indray, no zary kapoky ny tadidy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mba-mahatsiaro-ianao | RAHA MBA MAHATSIARO IANAO… | RRAG | RAHA MBA MAHATSIARO IANAO…
Banjino kely minitra iray,
na ora iray mihitsy aza,
ilay sary an-joron-trano,
tsiaron’ny afo izay nahamay.
Dia ‘lay navelan’itsy lasa,
ho fototry ny aim-baovao.
Tsisy dina, tsisy kasa,
fa ny ho eo anilanao.
Banjino iray minitra monja,
ilay sary efa tonta.
Omeo oroka mafonja,
aoka, aza hatontatonta.
Banjino kely raha sitrakao,
na ny masony ihany aza.
Banjino re, izao dieny izao,
mba banjino hatramin’ny tava.
Raha mba mahatsiaro ianao,
ilay akanjo tontako iny,
ataovy an-joron-trano ao,
mba ho tazan’ny vahiny.
Hahafahany manafatra,
ahy hiverina any haingana.
Mba ho tena teny lafatra,
no hitondra ahy ho faingana.
Raha mba mahatsiaro ihany ianao,
dia sokafy moramora,
ny varavarankely avara-trano,
fa any aho no hiditra hamonjy, ilay tokantrano. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mpamboly-vola | MPAMBOLY VOLA... | RRAG | MPAMBOLY VOLA…
Ny sasany mihevitra, azy ho mpamboly vola,
dia revo, mimaola, manaraka midola.
Nefa ahitra no hohanina, arapany am-bava,
jejo loatra, be fihaingo, sady mbola basivava! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kopa-tanana | KOPA-TANANA… | RRAG | KOPA-TANANA…
Indrisy fa veloma,
natao tan-dranomaso,
nandràtra fo voadona,
miendrika ankaso,
‘lay kopa-tananao,
talohan’ny hifandao!
Indrisy fa toa ora,
nisosa moramora,
toa haingam-pandalo,
mitoetra am-po mimalo,
nitahiry fery,
toa zary tsianjery,
‘lay kopa-tananao,
nilaza fa efa lao!
Indrisy sedra mafy,
mikiky ny anaty,
mandrava faniriana,
‘zay efa vita vina,
‘lay kopa-tananao,
fery navelanao!
Indrisy fa tomany,
mamatotra ny tany,
tsy zakam-po misento,
mo mbola iainako eto,
noho ‘lay kopa-tananao,
fambara fa hifandao.
Indrisy fa veloma,
nirona moramora,
nandrotika ny foko,
‘lay kopa-tananao,
ry ‘lay tsy foiko,
vao vantany nandao.
Raha toa anefa kosa,
ka iny kopa-tanana iny,
no tena hoe veloma,
hamaranana tantara,
dia ataovy an-tsaina tsara,
fa ny lahatra sy anjara,
no efa nisafidy,
fa tena sarobidy,
no sady lafovidy,
nefa tsy maintsy hafoy,
ka tonga dia hadinoy.
Raha toa koa ny tendry,
ka tsy mahay mikendry,
sy mitandro ny anjara,
famenon’ny tantara,
dia mba ‘lay kopa-tanana iny,
no harakitra ho tahiry.
Raha toa tsy azo ialàna,
ny lahatry ny anjara,
dia ekeko ny hitahiry,
ao an’efitry ny foko,
‘lay fitia vao nitsiry,
‘zay nanjary niova loko.
Raha toa ka an-tery,
no nanaovanao ireny,
dia hohadinoiko,
satria ianao tsy foiko.
Ilay kopa-tananao,
toa nofiko isak’alina,
reko nitalaho,
nefa nodiako ho fanina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pejy-vaovao | PEJY VAOVAO… | RRAG | PEJY VAOVAO…
Efa ninian-tsy tsaroana, ny lasa efa vita!
Efa ninia-novonoina, ny fitiavantsika!
Efa ninia-navadika, ny pejy saingy indrisy,
fa tsy hisy izany, tena hoe tsy misy!
Na dia nivadika ny pejy, ka lohateny vaovao,
no handrafetana ny boky, dia ny ao am-ponao ao,
tsy nanadino velively, ny lalan-dasa nolalovany,
fa nitahiry ireny, tamim-pejim-pahatsiarovany!
Pejy vaovao, fa nofy omaly ihany!
Pejy vaovao, fa fery iray hatrany,
no mbola mampiray, mampitohy ny tantara!
Ka na hihodina ho aiza, dia efa io no anjara.
Na hototofana ny lasa, na hodorana ny pejy!
Na hovitaina ny kasa, na hivadika ny tendry!
Dia ny pejy mety hiova, fa ny fo tsy mba hanaiky,
ka hitomany ho anilanao, hitomany ny ho akaiky.
Pejy vaovao, fa tolo-nolovaina!
Zanaky ny lasa, no injao mamaky saina,
ka na hivadika aza, ny pejin’ny tantara,
dia tsarovy foana, fa ny aloky ny lasa,
sy ny setrasetrany, dia tsy hanam-piafara…. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mifoha-indray-ny-lasa | MIFOHA INDRAY NY LASA… | RRAG | MIFOHA INDRAY NY LASA…
Asa raha nahoana, fa toa mikiky ny tahiry,
mitroatra ny ao am-po, manery ny tadidy?
Mitamberina tsy nahy, misavovona tsy fidiny.
Mitaky ny hadalana, mitaky ny vidiny!
Mifoha indray ny lasa, manery ireo vita,
mikiry ny hamingana, hatramin’ny efa tsy hita.
Voatery ny tadidy, hamerina ny levona,
raha toa ka tsiahy ho anao, dia angamba efa nievina.
Saingy, ny lasa no mitroatra, midodododo mafy,
manitatra ny fery, ‘zay efa toa hahafaty,
hampiato ny fitepo, fitepon’ity fo.
Kinanjo indray nitsiry, fa toa tsy nety lo!
Mifoha indray ny lasa, manery ny tadidy,
mikapoka ‘reo kasa, fa ratsy ny safidy.
Nefa tsy azo haverina, na hosoloina intsony!
Fa dia tsy maintsy ho nenina, tsy hahitana tory!
Mifoha indray ny lasa, manenjika ny vita,
ka na dia manan’elatra aza, tsy afaka ny hiampita.
Mitaraina ny aty fo, tsy hita izay atao,
fa ‘reo lazaina zo, no loza nitatao!
Mifoha indray ny lasa, ny fery koa mihombo,
‘lay adin-tsaina kely, no zary toa nitombo.
Ka nanosik’ aina, an-dava-panenenana,
‘zay lavaka navoatra, ho lavaka hilevenana.
Mifoha indray ny lasa, manery ny ao am-po,
fa ‘reo tsara fafa, no indro indray nifoha.
Nanarona ‘lay efitra, efa notohofana haizina,
asa anefa! Raha ny andro no efa maizina.
Mifoha indray ny lasa, manenjika ny vintana!
Ny fo toa efa zatra, ny latsa isikinana!
Saingy, henatra mitafy, ny endri-pahasoavana,
nefa indrisy fa toa eso, sy latsan’ireo havana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/etsy | ETSY… | RRAG | ETSY…
Etsy hatopazokely fotsiny,
ny masonao hijery azy.
Ka karohy hatramin’ny ivony,
hatramin’ny atin’ny fanahy,
ny fitiavana natolony,
ny tokim-bava, ataon’ny molony.
Etsy atopiazokely any,
hijery azy ny hatrany hatrany,
‘lay notoloranao fitia,
ka nanaiky ny hiara-dia.
Etsy raiso mora iretsy tanany,
dia mirosoa fa aza miahotra.
Aza miahotra ny ho namany,
na koa manahy, sy hoe matahotra.
Fa ny fony tena tia,
tsy hivadika izany !
Sanatria dia sanatria,
hamela anao ny hitomany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-ekeko-intsony | TSY EKEKO INTSONY… | RRAG | TSY EKEKO INTSONY…
Tsy ekeko intsony raha mbola ny ràtrako,
no hanjogaina, ka hivadika ho latsako.
Tsy efa ampita, tsy efa ampitaina,
mampihazona ahy, nahatonga ahy halaina.
Tsy ekeko intsony, raha toa ianao ‘lay tiako,
no mbola hamitaka ahy, fa mihevitra ahy resi-tory.
Tsy ekeko intsony, raha toa ianao ‘lay nofidiako,
no hamingana ahy, mihevitra ahy ho torotoro.
Tsy ekeko intsony, ny hihafy amin’ny ditra,
ny hivelona, ny hiaina kitakita,
fa aleoko, aleoko samy vita !
Raha toa ianao ka tsy tamana, dia miafina aho tsy ho hita. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fasany | FASANY… | RRAG | FASANY…
Ry fasan’ny lasako, aleo izy hiverina,
‘ty foko tomany, toa efa manenina.
Tiako dia tiako mantsy, ‘lay tokako iny!
Aleo izy hitoetra, fa aza atao mpivahiny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-tia-anao | IZAY TIA ANAO | Fredy Jaofera | IZAY TIA ANAO
Izay tia anao,
tsy mandratra,
tsarovy izao
tena hihatra.
Izay tia anao,
tsy mamitaka,
na inona atao,
hay aparitaka.
Izay tia anao,
tsy mandainga,
na feno raorao
mampanainga.
Izay tia anao,
tsy mamingana,
n'aiza n'aiza vao
io mandingana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-atao-mampiasa-loha | AZA ATAO MAMPIASA LOHA | RRAG | AZA ATAO MAMPIASA LOHA
Topazo maso fotsiny, fa aza atao mampiasa loha!
Diniho tsara ihany, sao dia ‘ndray handràtra fo.
Raha toa ka ny handao, izay no tena tiany.
Aleo ataony any, rehefa hosafidiany.
Aza atao mampiasa loha, ny tsy fahitana,
azy ‘lay mitositosy, toy ny eo an-tratranao.
Aza handràtrana fo, ny tsy nahavitana,
ny voady an’alitara, izay tokony ho atao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-feon-kirantsika | NY FEON-KIRANTSIKA | Fredy Jaofera | NY FEON-KIRANTSIKA
Ny feon-kirantsika
no sioka eto am-bava
rehefa mba sariaka
sy mitady lalandava.
Ny feon-kirantsika
no lasa ho azy foana
rehefa tsy mikiaka
ny andro sy fotoana.
Ny feon-kirantsika
no mamelona ahy ery
rehefa toa masiaka
ny mamizana hatraty.
Ny feon-kirantsika
no andihizana indray
rehefa tsy mozika
no misy indraindray. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sentoko | SENTOKO… | RRAG | SENTOKO…
Ry volana baliaka, tinaratry ny aliko!
Ireo lasantsika, no foto-n’ny tsiaroko!
Ô! Ry kintankeliko iny, ‘lay mamiko sady teliko!
Aoka re ny sentoko, mba tsy ho isam-periko.
Ka ho isam-besa-poko, zogam-pigadrana.
Tsy resin’ny toloko, sy hatsiaka tsy hety hafana!
Ny sento izay zogaina, toa rojo fatotr’aina.
Nitondra zavona hosedraina, anaty tolon’ny maraina.
Ny sentoko angamba, tsy hahita ‘zay mangirana,
fitia miahy jamba, sy fery manahirana.
Ry masoandro vao miposaka, ‘ty oram-be matevina,
aleo aloha hirotsaka, mba hampitamberina,
ny fahatsiarovany ahy, tan-tanim-pahazaza.
Noentanin’ny fanahy, hamerin-tabataba.
Angamba kosa anefa e! Raha ny sentoko…,
tsy ho isan-tsetrasetra, hampihombo indray ny feriko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-manina-ve-ianao | TSY MANINA VE IANAO? | RRAG | TSY MANINA VE IANAO?
Ilavitra anao aho, ilavitra aty!
Asa, raha tsaroanao, ‘lay notolorako fitia!
Nefa ianao, toa tsy manina akory!
Angamba kosa lahy, mbola resi-tory.
Izaho misento, ianao mba nahoana?
Toa tsy handrenesam-peo, sa efa moana?
Tsy manina ve, ianao lavitra any?
Nefa izaho aty, efa resin-tomany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-an-dafy | ANY AN-DAFY | RRAG | ANY AN-DAFY
Indrisy fa eto! Eto aho manembona, anao ilavitra any!
Ary dia mbola eto! Eto no misento, mandefa vinany!
Indro misy hafatra, hampitaiko an-taratasy.
Tso-dranom-po, ‘zay sasa-miandry, anao avy any an-dafy.
Mbola manina aho aty, ary tsy miova ny fitia!
Satria tokoa aho tena tia, tena tia, tena tia…
Eny hiandrasako ianao, na tsy ho izao dieny izao!
Noho ny voady izay nataoko, dia ny hitia anao, hitia anao!
Tsarovy aho aty, mitazam-piverenana, am-baravarankely.
Miandry anao hitodi-doha, dia mikiry mijinery!
Mitazatazana, sao mba misy anao, ireo mpadalo.
Manembonembona anao, dia indrao mikalokalo.
Hantenaiko mafy mihitsy, ho isan’ireny koa ianao!
Sao mantsy teto ihany, tsy mba nandao, ary tsy handao!
Nefa, any an-dafy ianao, tsaratsara fiaina!
Asa, raha mba mahare ny foko, velombelona taraina.
Ka raha voarainao, ity taratasy ity.
Dia mba valio haingana, aza asiana sanatria.
Aza asiana fiahorana, aza asiana fahatahorana!
Fa valio raha azo atao, valio dieny izao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-tiako-zany-ianao | TSY TIAKO ‘ZANY IANAO… | RRAG | TSY TIAKO ‘ZANY IANAO…
Ninoninona ho ambara, tsy tiako ‘zany ianao e!
Na ho lazaina hoe anjara, tsy ho tiako mihitsy ianao e!
Mafy loatra raha ny zoga, navelanao hoentiko!
Haizina miary fonja, no novetsoiko izay mba sentoko!
Tsy tiako ‘zany ianao, fa nanataka ny foko!
Tsy ho tiako mihitsy ianao, ‘lay namadika ny toky,
‘zay nafafinao ho ahy, otazana hahavoky!
Tsy tiako intsony ianao, saingy nefa toa tsy foiko.
Rehefa iny aho mahatsiaro, ilay lasa nolalovako.
Noteren’ny saiko hangina, ireny sisam-pahatsiarovako!
Mialokaloka maningana, injay miseho ho tompon-toerana!
Lasa ianao mandeha ry tiana, fa ampy izay ny fandeferana!
Toa tiako ihany ianao, ninoninona ho ambarako!
Tsy tiako ‘zany ianao, na dia tena hoe anjarako!
Tsy foiko anefa koa, ny hanadino ity fisiana,
‘zay mitahiry anaty pejy, mitahiry am-po mangina.
Na iza hilaza mihoatra, na iza koa hampatahotra?
Dia ny vavako mihitsy, no nanambara tsy niahotra,
fa tsy tiako ianao, na hoterena aza aho!
Tsy foiko ihany koa anefa, na dia foto-draorao.
Tsy tiako ‘zany ianao ny handao, fa tiako ianao hitoetra eto!
Tsy tiako mihitsy hiraorao, fa tiako ianao hamafa sento!
Hanafoana ny adin-tsaiko, sy hanefa izay lalaiko,
tiako ianao! Tsy tiako ‘zany, fa ‘zay tianao ho efaiko!
Tsy foiko fa tsy tiako, mantsy ianao ry tokana!
Toa satrisatriko eny foana, ho ahy! Ho ahy manokana!
Tsy hotsinjaraiko amin’izato, na hozaraiko amin’ny hafa!
Tsy tiako ‘zany ianao! Fa tiako ihany, hampanadino ahy ny lasa! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lefona | LEFONA… | RRAG | LEFONA…
Natsindrona lefona, efa harafesina, ny fo ‘zay nitia!
Nofinganina hianjera, hianjera tsy fidiny, ‘reo mpifankatia!
Tsy sedra voalahatra, fa hinian’ny hafa, hazera amin’ny lalany.
Tsy tena anjara, fa loto handotoana ny raki-tantarany!
Nafatotra rojo, dia nofonjaina, ny herim-pitiavany!
Hosihosena, ary koa antsafaina, hatramin’ny hananany!
Dia noterena, hanefa sazy, noho ny tsy nataony.
Tsy nohenoina akory, na modian-tsy re, ny antson-talahony!
Nasesika ho azy, ny heloky ny hafa, mba hozogainy!
Na dia tsy zaka, fa vesatra loatra, dia tsy maintsy lanjainy!
Ka iza amin’izato, milaza ho namany, no azo atokisana.
Fa ‘zay hiantsoam-bonjy, tsy nisy namaly, fa nilaza ho sahirana!
Ka moa ve, ho fahadisoany, ny hanala irery,
‘ty lefo-mitsatoka, eo amin’ny fony, ka milom-pery?
Moa kosa ve, heloka ho azy, ny mba mitady, izay fahafahany,
raha toa ny hafa, efa nanadino, nanadino ny anarany?
Natsatoka mafy, hanitaram -pery, ny lefo-maranitra!
Kapoky ny hafa, zary tsianjery, fa tsy todin’ny lanitra!
Nefa mavesatra, tsy efa holanjaina, ‘ty sedra midona.
Ràtra efa maimbo, fery tsy maina, no indro nilona!
Dia hofoanan’ny anio, ve ny fanantenana,
sa mbola ho voafafan’ny setra mandalo?
Ary mbola hitoetra ve, ilay hafanana,
raha toa ka misaona, ny fo izay mikalo? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-jamba-ihany | RAHA JAMBA IHANY… | RRAG | RAHA JAMBA IHANY…
Nifikitra aho fa tsy nahatana,
ny lalako aza ity malama.
Toa sakantsaka-mpankahala,
sy todim-baratr’hadalana!
Raha jamba ihany aho,
nahoana no aminao?
Raha moana ihany,
nahoana aho no tsy hiteny?
Nahoana ianao no tsy hijery,
ahy etoa-mitomany?
Mipararetra manontany,
‘zay misy anao!
Sa kosa efa tena lao,
ka efa vonona ny handao?
Raha jamba ihany,
nahoana koa no mbola tazako,
ny akanin’ny fitiavako?
Izay mbola toto-drano,
nototofan-dranomaso,
izay nazeran’ny ankaso.
Nahoana no mbola hitako,
ireo lasa efa vitako?
Saronam-panenenana,
k’injao fa reko mitamberina.
Raha moana ihany aho,
nahoana kosa anefa,
no tsy maintsy hitalaho?
Hiangavy amin’ny setra,
ny mba hanasiany fetra…
Ny adim-piainako! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-anjely | RY ANJELY… | RRAG | RY ANJELY…
Nanao ahoana izato ianao,
ry Anjelim-po mitepo?
Fa ny foko hatramin’izao,
mbola variana ny misento.
Mbola manina ‘reo lasa,
nisy toerana ho anao.
Eny, mbola tena zatra,
ny nandray ny tananao.
Ry anjelim-po misento,
tsarovy ihany aho aty.
Eto indray aho mivetso,
noho ny halalin’ny fitia.
Ka hampangino re ny foko,
na dia manina aza ny any!
Aza avela hitoloko,
sao indray ka hitomany.
Ry anjelim-po misaona,
aza hadino fa ny feriko.
Dia milona eny foana,
toa zary lasa misiteriko.
Fafao mangina an’efi-poko,
ireo tantara tsarantsika.
Avelao mba hosoloiko,
tantara iray ‘zay mety hangirana.
Ry anjelim-pon’ny fandeferana,
tsy hiteny intsony aho raha sitrakao!
Hampanginiko ny hatezerana,
izay nazerako, hianjera taminao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hangina-aho-kanefa | HANGINA AHO KANEFA… | RRAG | HANGINA AHO KANEFA…
Tiako loatra ianao,
tsy efako holanjaina,
tsy mba kilalao,
fa voka-po misaina.
Hangina aho kanefa,
raha toa tsy sitrakao,
‘ty fomba fiantefa,
azo hovaina ho vao.
Tiako loatra ianao,
tsy atakaloko hafa.
Eny hatramin’izao,
tsy mbola voafafa.
Hangina aho kanefa,
raha toa tsy ekenao,
ny handray tsy misy fetra,
ny fitiavako toy izao.
Hangina aho raha toa,
ianao tsy tia ahy.
Hampanginiko ny fo,
fa ianao aza manahy.
Hangina aho raha efa,
mitia olon-kafa ianao.
Kanefa, satriko hiantefa,
raha mbola ilainao.
Tiako loatra raha ianao,
atakaloko ny aiko.
Tiako loatra raha ianao,
ny antony dia tsy haiko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-ratsy-tono | FITIA RATSY TONO… | RRAG | FITIA RATSY TONO…
Fitia nangalarina,
ny ahy sy ny anao!
Tsy dia tena marina,
fa toa kilalao!
Fitia lalim-paka,
anefa ny fotony.
Fitia voambaka,
hatrany amin’ny tonony.
Fa izaho tsy nihary,
ianao tsy nikolo.
Ka tsy lavorary,
fa fitia ratsy tono.
Tsy tsara nahandro,
fa manta anaty.
Tsy tara-masoandro,
toa fitia efa ho faty!
Fitia ratsy tono,
no nifampizaràna!
Toa feno honohono,
hatrany am-piandohana.
Fitia fandeferana,
nefa tsy tana!
Toy ny niserana,
ilay hafanana!
Ratsy tono tsy masaka,
ny fitia nandrahoana!
Ferin’ny lasa ka,
tsy maintsy hohadinoina! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jaly | JALY… | RRAG | JALY…
Ry tahotro mandrakotra,
mitafy koa ny henatro.
Mijaly aho ka maràtra,
noho ny haizin’ity efitro.
Tsy tantiko ‘ty zoga,
tsy efako holanjaina.
Tsy tantiko ny fonja,
an’efi-karakaina.
Mijaly loatra re ny aiko,
ry taho-poko rakotra hovitra.
Mijaly hatramin’ny atin-tsaiko,
ny vatako aza efa mangovitra.
Ry tahotro manarona ahy,
efa resinao ny aiko.
Babo hatramin’ny fanahy,
resy hatramin’ny saiko.
Ka aoka, aoka izay ny setranao.
Mijaly, mijaly mafy aho mitalaho!
Fijaliana tsy hay lanjaina!
Setrasetra tsy hay sedraina!
Jaly, zoga vesatry ny lasako!
Ny omaly, no efa foana ireo kinasako.
Satria tsy misy ho hantenaiko,
ka jaly foana, no holanjaiko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eto-aho-2012 | ETO AHO… | RRAG | ETO AHO…
Eto an-kianjam-panoratana
aho, no mamezivezy penina.
Andraketako ny mamy,
izay mihombo noho ny nenina,
navela tany ho any.
Niandrasako hitamberina
kanefa, indrisy tsy niverina,
fa lasa akanin’ny tomany.
Eto anoloan’ny sedra mafy
aho, vao nahatsiaro anao tomany.
Hoy ianao tamiko hoe: “Tsy tanty
ny hetraketraky ny tany”.
Eto anatrehan-draha nataoko
aho, no mitsiahy anao mangina.
Ianao ‘lay olon-tiako,
navela hitondra fahoriana.
Eto anilan’olon-kafa
aho, no manenina, amin’ny ratsy vitako.
Ny tsy nahavitako ireo kinasa,
fato-maty namikirako.
Eto an-dalam-pahafatesana
aho, no misento miala aina.
Asa ny alim-piambesana,
raha mba hiasanao saina.
Eto am-pizakana ireo vitako
aho, no mitomany dia manenina.
Mizoga ny vokatry ny ditrako,
Afo io ka tsy azo hafenina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jamba-hono-aho | JAMBA HONO AHO… | RRAG | JAMBA HONO AHO…
‘Lay ianao nitopy ahy, izay tsy tsinjoko akory,
no nilaza ho jamba aho, nefa ianao no toa tsy tony,
fa variana nitia, olon-kafa tsy eto intsony,
no efa toa nanary dia, niaraka amin’ny ràtram-pony.
Jamba hono aho, hoy ny masonao mijery!
‘Zay tsy mba nahita ahy, variana ny nisento irery.
Manimanina azy angamba, sa ianao no mody jamba?
Tsy mahita ny entam-poko, mitady anao mba hotompoiko.
Jamba hono aho, nefa ianao, minia mandika,
tsy mijery ny alaheloko, sy ny ranomaso ritra,
miandry anao, miandry anao!
Fa tena babo, resinao!
Jamba hono aho, ka na dia ny nitopy anao,
Dia isan-javatra tsy vita, eny! Toa ninian-tsy natao.
Jamba hono aho raha toa, ianao miandrandra ny fitiavany!
Ny fitiavantsika roa anefa, tsy nasianao ‘zay lanjany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozy | RAOZY… | RRAG | RAOZY…
Samy tarana-boary ihany,
nefa meva sy sariaka,
ilay firavaky ny tany,
tefim-bolamena vita.
Tokam-po mahay mihaino,
mahandry hatrany ny hafa.
Ny fiainany mba hisaintsaino,
atao fitaratra fitafa.
Raozy! Mamela-manga manjopika.
Felana! Manangasanga tsara bika.
Tsy asiana zezika intsony,
fa efa lavi-donilony.
Raozy! Maitso ravina fivelatra,
tsy mba tia mikopak’elatra!
Toa mahandry hatrany ny andro,
na efa hody ny masoandro.
Raozy! Meva endrika ohatr’izany,
fahavalon’ny tomany!
Mahay milefitra amin’ny ‘ngeza,
tsy mba miseho azy ho deba.
Manana ny anjara toerany,
ny fanjakana fanaperany.
Izay ny fo mifankatia,
sy ireo manaiky miara-dia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toky-feno-nofy | TOKY FENO NOFY… | RRAG | TOKY FENO NOFY…
Na hitomany aza ianao, dia izao no mba tsarovy!
Fa tokim-bava ihany ireny, toy ny antso iray tsy tody,
izay natorany hiantefa, hiantefa taminao!
Toky feno nofy izany, fa izy lasa, efa lasana nandao!
Ka ny hany azo atao, dia ny mampitony fo!
Ny tokana azonao atao, dia ny mandamindamin-doha!
Fa raha ny tokiny ‘zay fitaka, efa tsy azonao iandrasana.
Ny nofiny aza anie tsy aiza e? Efa mandry any am-pasana.
Toky ny azy, toky fitaka, niezahany nahaita.
Saingy indrisy, ny tompony aza efa tsy hita.
Efa nitady lalam-bao, moramora hosedraina.
Ka nahasahy nandao anao, tan-kianja karakaina.
Izay kianjan’ny fitiavana, feno ahi-dratsy maro.
Feno sento, feno nofy, feno vetso mifangaro!
Kianjam-po midongy ho afaka, kianjan’alahelom-po.
Teo ny ranomasonao no nalatsaka, tan-kianjan’olon-droa!
Kianjan’olon-droa, feno ràtra, setrasetra!
Niniany nasiana, nasiana kajy arahim-petra!
Tsy hahafahanao hiteny, na haneho ny safidy.
Lazainy hoe mitapy ianao, mitady fitia lafo vidy.
Fitia lafo vidy, anaty toky feno nofy.
Miara-sambatra amin’ny tiany, eo no mitositosy!
Nefa indrisy, tena nofy, ary nofy tsy ho tanteraka.
Tahirim-po ihany sisa, tahirim-po mety handreraka! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-voahitsaka | FO VOAHITSAKA… | RRAG | FO VOAHITSAKA…
Tsy vita ny natosika, hiala ilavi-tiana!
Fa mbola nesoina, ny hany faniriana!
Vao mainka indray koa, hitsahina ho repotra.
Tsy namelana mihitsy, raha tsy tena sempotra!
Dia ‘ndrao no niafarany, poritra sy toro!
Nosakanana avokoa, ireo naniry hikolo.
Fo voahitsakitsaka, drodroka sy reraky ny ditra.
Mamery ka tsy sahy, intsony hisedra disadisa.
Ry tanjaka sy hery, nandao tanteraka ny aina.
Ny ampitso koa tsy hay, satria tsy takatry ny saina.
Fo voahitsakitsaka, marary ihany fa hihafiana!
Voatsindron’ny lasa, fahoriana e! Fijaliana!
Nefa ny ferin’aina, miahy mamatotran’ny tena.
Ny adim-po no ady sarotra, hanjakan’ny faharesena!
Tsy vita ny nitsoaka adidy, na nandositra andraikitra!
Milaza ho tena lafo-vidy, nefa, mandalo dia miraikitra!
Toy ny mpivaro-tena, tsy mitoetra raha tsy vola!
Fo voahitsakitsaka io, nefa mbola sahy midola!
Ka indro, ny penina no asosasosa,
Hanontana pejy maro, nandoavam-po ny trosa!
Andraketana tantara, noterena holalovana!
Dia ny penina no akorisa, hitahiry fahatsiarovana!
Ny penina no hanefena, handrafetana amboara!
Izay amboaram-pahatsiarovana, rango-penin’ny tantara!
Fo voahitsaka io fa kosa, mbola afaka mitia!
Voatorotoro mihitsy angamba, fa tsy adala sanatria!
Eny, mety adala ihany anefa, fa adala noho lasa.
Tiany loatra ilay nandao, sy namela hola-dràtra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/oram-pitiavana | ORAM-PITIAVANA… | RRAG | ORAM-PITIAVANA…
Nijojo ny orana, nilatsa-tsy tana,
kotsa ianao, ka nanomboka nihovitra.
Nantsoiko hialoka, hizaha hafanana,
natahotra ianao, dia somary nangovitra.
Aza manahy hoy aho, tsaroako ireny,
nanatona ianao, dia tsy niteny.
Tsy nahajery akory, ny hafalian-tan-tavako,
fa dia feo fotsiny, no renao tao am-bavako.
Narehitro ny afo, nomeko lamba ianao!
Nandà ny tsy hitafy, noho ny tahotrao.
Nefa resiko lahatra, ka dia tsy niahotra!
Teo ianao, nanomboka tsy natahotra.
Noraisinao ny lamba, dia notafianao!
Nijery ahy ianao, ka nanomboka nitsiky!
Asa a! Nihevitra angamba, fa mety tsy hisy!
Tsy hisy intsony, fotoana toy izao.
Nanoka-bava ianao, k’indrao nanontany ahy,
hoe: “Iza moa no anaranao, ry ‘lay tovolahy?”
Nambarako anao, tsy nihafahafa.
Teo isika no, nanomboka ho tsara tafa.
Tsy maty am-poko, iny andro iny!
‘Lay nandalovanao, ‘zay mpivahiny,
tan’efitry ny foko, tsy mbola nanan-tompo.
Ka isika ankehitriny, zary tafara-droa!
Ilay oram-pitiavana, nanosika anao,
hivahiny tao amiko, tamin’iny andro iny!
No oram-pitiavana, nampiray ahy sy ianao,
Ka zary tompon-toerana, fa tsy mpivahiny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/milom-pery | MILOM-PERY… | RRAG | MILOM-PERY…
Hangina aho raha toa, ozona ho ahy!
Hiala aho satria, tsy tian’ialahy!
Tsarovy kosa anefa, fa ny lahatry ny anio,
tsy maintsy ho levon-taona, hivadika tadio.
Dia hiverina hazava, tsy horakofan-javona,
‘lay taratry ny maraina, toa lasa niavonavona.
Ka hitomany hifona, hilady amin’ny foko,
ary hiangavy mafy, manahy ny hosoloiko.
Nefa indrisy, fa ianao ‘lay nialangalana,
no lavo tsy fidiny, teny an-tsampan-dalana.
Milom-pery maimbo ka, nohadinoin’ny foko!
Hangina aho raha toa, tody voatokana ho ahy!
Hiala aho satria, efa resy, hatramin’ny fanahy!
Nefa kosa tadidio, fa ny tendrim-piainantsika,
tsy fantatry ny anio, raha toa ka hangatsiaka!
Na mety, hitondra hafanana, tsy hoseranan-tsedra,
ka ‘lay tia mihitsy, no tsy mba miady seza.
Fa miandry tolo-tanana, voarakitra ho tantara!
Miandry izay ho namana, voasoritry ny anjara.
Nefa indrisy, toa nofy ihany izany,
fa raha ny eto an-tany dia, fonenan-dratomany.
Fitia milom-pery, miendrika tsianjery, hankahalain’ny foko!
Hangina aho raha toa, ny tsiny koa ho ahy!
Handefitra aho satria, efa tsy mba sahy!
Ataovy an-tsaina kosa, fa ny vintana sy anjara,
dia samy laha-piainana, mamaritra tantara!
Raha toa ka hain’ny tena, ny mitrandraka azy tsara.
Hangina aho raha toa, ny ferin’itsy lasako,
no mbola mety ho zavona, handrakotra ny kasako!
Dia indro hampitaiko eto, f’izao no hany hafatro,
mitiavà hafa akia a! Tsy mizaka toy ny ràtrako.
Mitiavà tsisy fery, nahatody izay tsy takatro! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fingana-lava | FINGANA LAVA… | RRAG | FINGANA LAVA…
Nihafiana ny lasa, nefa tsy tony.
Fingana lava, no atao amin’ny fony.
Navela ny lasa, mba homba ny lasa.
Fingana lava, no nandefena kasa.
Fingana lava, tsy hiato mihitsy.
Ankason’ny hafa, modian-tsy nisy.
Injay mitamberina, mandrotika fo.
Mandrava ny vao, ny efa taloha.
Fingana lava, tsy misy nahoana.
Fingana lava, tsy misy fiatoana.
Sangy mahery, mety hahafaty.
Fingana lava, nanindrona ny aty.
Dia hita ny omaly, fa io mitamberina.
Hikan’ny omaly, no injao mankarenina.
Fa fingan’ny omaly, ity re miverina.
Fingana lava, zary efa nenina.
Raha eso na latsa, moa tsy hozakaina?
Fa ‘ty fingana ity, toa mampitaraina.
Efa tsy tanty, tsy tantin’ny tena.
Nefa ho lanjaina, ary mbola terena.
Fingana lava, toa mbola ‘lay omaly.
Fingana lava, no injao mampijaly.
Minia misangodina, mamingana ny aina.
Iza anefa? Iza, no azo antenaina?
Fingana lava, toa zoga tsy zaka.
Loto an-tava, miampy ny ràtra.
Mbola tsy voafafa, eny amin’ny endrika.
Dia indro mandodona, fa maika ny handrendrika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-rovanny-nofy | ‘LAY ROVAN’NY NOFY… | RRAG | ‘LAY ROVAN’NY NOFY…
Tefim-bolamena, nasian-diamondra,
ho haingon’ny lapa, ny rafitra najary.
Tsy mavesa-danja, kanefa toa mafonja,
tsara kolokolo, vita soko-tsary.
Daliah sy raozy, mamela-mangakely,
no haingon-jaridaina, ravaka tanàna.
Fo ‘ray mitomany, tsy misy mba mijery,
manina ny eny, sady tsy tamana.
No indray mitsiaro, an’ilay olon-tiany,
efa niala aina, zary namam-pasana.
Nandao lapan’ny nofy, akaniny fahiny,
toerana voatokana, nifampiandrasana.
‘Lay rovan’ny nofy, akanim-pahatsiarovana,
irony kanto indrindra, nentin’ny tantara.
‘Lay rovan’ny nofy, saingy fandalovana,
misy fetra hatrany, toy ny anjara.
Tahiry toy ‘reo hira, fivetsom-po tomany!
Toy ‘reo tononkalo, zary naman-tany,
natototra tsy hifongatra, hanata-jaitran’aina.
Mba tsy hatratra intsony, fiposaky ny maraina!
Tefim-bolafotsy, nasiana safira,
no rava-baravarana, narafitra omaly.
Boky iray mirakitra, ireo tononkira,
no mbola voatahiry, anaty ferin-jaly.
Saingy, tsy mety raha fafàna,
fa hany tokan’aina, tsiahin’ny tantara.
Tsy levon’ny omaly, tsy ho ringan’ny ampitso,
tsy ho lo mihitsy, ary tsy hasiso. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/oly-mpampihavana | OLY MPAMPIHAVANA… | RRAG | OLY MPAMPIHAVANA…
Feon’ankizy mitomany, no nanaitra fo hangoraka.
Feon-jaza an-tokontany, milalao miorakoraka.
Feon-tsodina misioka, manafàna takariva.
Feom-baliha iray migoka, ny hakanton’ny antsiva,
no olim-po ‘lay manirery, mivetsovetso irony kalo.
Anaty saina mitsianjery, ‘lay zazavavy iray mpandalo.
Siokan-tia miantso tiana, no re avy any am-bavahady.
Siokam-boronkely mihira, ‘lay tononkiran’ny mpivady,
vnahavita dina tsy ela, teo anoloan’ny alitara.
No oly raikitra tsianjery, nandrafetana tantara.
Olin-draozy, olim-boahangy, fela-mani-mpitahiry.
Nafafy teo an-jaridaina, fa nantenaina ny hitsiry,
no indro tohana nanakana, fo roa tsy hifankatia.
Oly iray no zary sakana, nandrava ilay fitia.
Tokana fitazana, mandravaka ny felana.
Oly mpampihavana, miaina am-pandeferana,
manambatra fitaratra, vakin-draorao!
Mitsabo fo maràtra, resin’ny talaho.
Olim-pamikirana, raha sendra tosi-tanana.
Oly tsy manilika, tsy manavakava-namana.
Milefitra hatrany, ny lefona hatoraka.
Mangina tsy miteny, fa olim-po mangoraka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-rotika-efa-potika | EFA ROTIKA, EFA POTIKA… | RRAG | EFA ROTIKA, EFA POTIKA…
Fitia nilona fahazaza,
efa rotika!
Toa tsiahy manazava,
ny efa potika!
Tanisa tsisy fiafarana,
mikobon-dalana malama.
Mihiboka ao am-po nisaona,
nofy ilay hoe, mandra-pihaona!
Efa rotika,
raha ny fitiavana!
Efa potika,
ka tsy hahasambatra!
Efa rava,
na noheverina tsy foana,
ny tokim-bava,
izay nandaniam-potoana.
Efa nisava!
Efa rotika!
Efa potika!
Efa repotry ny lasa,
ireo dina vita kasa!
Efa lavon’ny halavirana,
ireo toky nanahirana.
Eh! Efa rotika!
Tena potika! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ando | ANDO… | RRAG | ANDO…
Miandoha finaritra ny fo ‘zay mitia.
Miandoha hasasarana ny ahelan’ny dia.
Miandoha tomany, ny fanantenana!
Ny andon’ny maraina, mitondra hazavana.
Miravo hafaliana, dia misioka ny vorona!
Ny ando sy hamamiana, no fameno tolona.
Ka avela ho an’ny alina, raha ny olana.
Fa handeha hararaotina, izato diavolana.
Mifaly ny ankizy, ny mpianakavy mitafa.
Mibanjina kintana, dia mijery ny lasa!
Manao vinavina, izay hokinasaina.
Mamaky ny dina, amin’ilay hantenaina!
Dia tsy iza izany, fa ‘lay raozy manga!
Olon-kendry mihitsy, fa tsy mba olo-manga.
Safidin’ny fo, sady andon’ny aina.
Namafa ny fery, ‘lay nampitaraina!
Miandoha tsikitsiky, ny fahasambarana.
Vinavinaniana hoe, rahoviana no hifarana?
Fa satrin’ny fo, tsy ilaozan’ny nofy,
‘lay andon’ny maraina, ‘mbola mitosy.
Ando, tokana nefa hanana-maro.
Tsy asiana fanampiny, na afangaro.
Fa dia ando eny ihany, ho an’olo-manina!
Fitia madio, fa tsy sangodim-panina.
Ando, raha toa ka isaina, toa isa tokana.
Firenen’ny fitiavana, tsy mitokantokana.
Maneho hatrany, ny firaisankina.
Na tsy hisy aza fetra, na tsy hisy aza dina! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/navalona | NAVALONA… | RRAG | NAVALONA…
Tiana hotsaroina, matetika isan’andro,
ny tsara nentin-dasa, nanova ny fiainana.
Satry ho hazavaina, ‘reo tsy hitan’ny masoandro,
ka nitondra ràtra, sy fanaintainana.
Tiana hotsaboina, ‘reo ferin’aina, mamatotra ny tena.
Hirina ny hivalona, ny pejin’ny andro ratsy!
Saingy efa nandrotika, nitondra faharesena,
ny ady an-taona maro, ‘zay tsapa ho ady mafy.
Navalona ny lasa, navadika ny pejy.
Dia nanoratra tantara, tanaty pejy vao.
Saingy ny omaly, no soritry ny tendry,
ho tsy afaka fafana, fa efa mitatao.
Navadika ny pejy, nasolo iray vaovao.
Ny haizin-dasa foana, no manaloka ny lanitra.
Navalona ny kendry, fa ny taloha tsy lao,
no vokatra naterany, ka tsy nahita hanitra.
Tiana ho voafafa, ny diam-penin-dasa.
Satry ho voavono, ‘reo tsiahy izay nandràtra.
Nefa efa tody, mifamatotra amin’ny aina.
Efa olo-mody, vao maro ny adin-tsaina! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ozatry-ny-fiainana | OZATRY NY FIAINANA… | RRAG | OZATRY NY FIAINANA…
Rehefa hitanisa hoe: “Ozatry ny fiainana”,
dia Ravola izay, no mby ao an-tsaina.
Rehefa mahatsapa, ny fanaintainana,
dia Ravola ihany, no tinady sy ilaina.
Ka rahoviana moa Ravola, vao tsy hotadiavina?
Handaniam-potoana, andro aman’alina!
Rehefa mitafatafa eny, dia Ravola izay resaka!
Rehefa misy iray miteny, dia resa-bola koa betsaka!
Dia izy ve no ozatra, ozatry ny fiainana eh?
Nefa toa ‘ndraindray, foto-panaintainana!
Vola, efa toa mandrera-tsofina!
Vola, resa-mampimonomonona!
Nefa, mbola vola, dia vola, vola ihany!
Io hatrany, no fototrao ry ‘lay tomany.
Hiadivana aman’olona!
Hamoteham-piarahamonina!
Hamonoana ny hafa!
Ity vola mampandatsa! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lalaonny-voary | LALAON’NY VOARY… | RRAG | LALAON’NY VOARY…
Mandiha toa tsy nahy ny voary rehetra.
Manaraka mora ny filanton’ny rivotra.
Miara-mirona tsy mba manam-petra.
Milantolanto sy mihovitrovitra.
Ny voro-misioka, manara-mozika.
Ny ala miredona, ny kalon’ny voary.
Ny rivo-misosa mitondra hatsiaka,
no nampandiha, ny ivon’ny tany.
Milalao ny voary, iray manontolo.
Miara-miredona, hiram-pahafahana.
Ny raozy, ny lisy, ‘zay tsara fikolo,
no porofo mitaratra, ny tadim-pihavanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indro-ny-nahandro | INDRO NY NAHANDRO | RRAG | Hoy aho teo am-panolorana ilay boky tahiry nitondra ny lohateny hoe: “MILOM-PERY”. Mazotoa homana daholo ah! Tandremo fa mety misy taolana madinika.
INDRO NY NAHANDRO
Tompo ô! Indro ny nahandro, azonay hatolotra!
Eo mba tsinjarao, amin’ny mila izany!
Teny kely indrindra, narindran’ity molotra.
Entina hanasoavana, ny olon’ito tany!
Ka mba hafafazo, ny tso-dranonao!
Eo mba hatsipiazo, ny fitahianao!
Mba tsy ho foto-dratsy, ity amboara ity,
fa mba ho tena amboara, hitondra ilay fitia!
Misaotra anao ry Tompo!
Misaotra ity Mpanompo! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dia-ho-anilay-malala | DIA HO AN’ILAY MALALA… | RRAG | DIA HO AN’ILAY MALALA…
Misy tampina ny lavaka, fitilitily ny endrikao.
Mbola sarona ny tatatra, mety hamingana anao.
Fa ny voa nafafy kosa, toa vetivety dia nitsiry.
Ny ahi-dratsy teo akaikiny, indreo nandrombina naniry.
Toy izany koa ny antsika, ny fitia notsinjaraina.
Mety hisy ao hatsiaka, iorenam-po ‘lay mitaraina.
Mety hisy hafanana, tsy ho zakan’ny hafaliana.
Hisy aza fo hikalo, mety hitondra vinavina!
Ka hivetsovetso indray, tiako ianao ka tiako
Na dia afo mahamay, tsy maintsy hihafiako.
Fa ny tanjoko anio, dia ny hiantso anao malala.
Satriko io, tsy mba hisy salasala!
Raha natorako ny nofiko, hiantsampy aminao.
Dia ho mafy ny tokiko, rakitra diary vao.
Misy lohateny tokana, dia ho an’ilay malala.
Ka na hisy aza sompatra, ny tahiry tsy hamafàna. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mirana-ny-soa | MIRANA NY SOA… | RRAG | MIRANA NY SOA…
Notinefy tao am-po, irony lasalasam-piainana!
Nohadinoina avokoa, ny hikahikam-panaintainana!
Nihiratra ny andro, toa nisy taratra hazavana.
Ny ankamaroan’ny ando, zary nentina hafanana!
Naka ny toerany, ny masoandron’aina!
Toa tsy nisy fahataperany, ny hakanton’ny maraina!
Mirana ny soa, nihisatra tsy hiala, ny zogan-dranomaso.
Nefa ny tao am-po, tsy nisy nahalala, nanalavitra ankaso!
Mirana ny soa, mazava izao tontolo!
Mirana avokoa, ny voary manontolo!
Lefy ny tomany, nangina koa ny sento!
Ny nofin’ny omaly, no sisasisam-betso!
Ny vony ao baliaka, sariaka vao maraina!
Ilavitra hatsiaka, nisitaka taraina.
Ka mirana ny soa, mifaly ny ao ambony.
Ny foto-dràtram-po, efa tsy eto intsony! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rojom-pitia | ROJOM-PITIA… | RRAG | ROJOM-PITIA…
Moa ny alitara ihany, no rojo afa-mamatotra,
fitia ‘zay novoadiana, teo anatrehan’ny lanitra?
Moa ny diam-penina, an-diarin’ny firaisana,
no hany tsy azo lavina, ny hampitondra faisana?
Samy rojom-pitia, fa hafa raha ny toky,
tsy voarakitra an-diary, tsy voatonta anaty boky.
Fa azom-po hotanana, hitamberina matetika,
hamaizana ‘reo maro namana, sady be fitetika.
Samy rojom-pitia ireo, fa ny voady voatanisa,
no indro ho fanilo, tsy hisian’ny disadisa,
na zavo-mainty hanarona, fitia notsinjaraina!
Koloy am-po mangina, rehefa hoe lalaina.
Moa ny vodiondry ihany, no fatotra hifanaovana?
Nefa, toa mbola misy aza, ny endrika fandaozana.
Ka ninona ho atao, rehefa ratsy fototra,
dia tsy ho ela intsony, dia ho ringana sy ho tototra,
ny fitia tinery, raha toa tsy voka-po.
Nanaovam-boady fotsiny, noho ny hamaivanan-doha!
Ny fitia dia tsy terena, raha hangina aloha ny fo!
Ny fitia lalim-paka, no taratra mahasoa.
Diniho mangina ihany, hevero izay ho fotony!
Ka ho rojom-pitia mirindra, mifanentana amin’ny tompony.
Samy rojom-pitia ireny, anjaranao no mandinika!
Safidio ‘zay tianao, dia avy eo ‘nareo midinika,
‘zay lalana hodiavina, tsy hisian’ilay fandaozana!
Dia ho akany mahafinaritra, miaina am-pihavaozana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/felanny-aina-diniky-ny-mpifankatia | FELAN’NY AINA… | RRAG | FELAN’NY AINA… (DINIKY NY MPIFANKATIA)
“Izao moa ry tiana, raha maty ny fitiavana,
‘lay felan’ny ainy mihitsy, no maina tsisy intsony.
Ka ‘zay faniriana, sendra famaranana!
Dia hisy fo ve, mba hahay hitony?”
Hisy any ho any, felam-bony vao,
fafazana haniry, hisolo ilay taloha!
Satria hono mantsy, ao an-danitra ao,
misy voa maro, fanoneran-tsoa.
“Raha toa moa izany, tsy nitsiry izato voa,
ka ny fankahalana, no hanjaka eny ho eny.
Ary izaho sy ianao, tsy ho iray fo,
na mifankahalala aza, tsy sahy mifampijery.”
Ny felan’ny aina, dia ny fanananao, fitokisam-po!
Ary ny fahasahianao, no mpizara zava-tsoa.
Satria ianao mihitsy, no tena hoe fitiavana, famelomam-boa!
Ka raha tsy maty ianao, ny felana tsy halazo,
fa vao mainka indray, manambatamba-po.
Handrindra irony antsa, ‘zay hirafetam-bazo! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/andolalaina-ra.gaby-nanando | ANDOLAL’AINA, RA.GABY, NANANDO… | RRAG | ANDOLAL’AINA, RA.GABY, NANANDO…
‘Ndeha havalona eto, ho zary toy ny nofy, ianao ry ‘lay anarana.
Tsy maintsy koa hisento, ‘ty fo efa farofy, mahatsapa fa hifarana,
ny diam-peninao, ilay rakitra tantara, anatra fampita.
Tosika famarana, ny dingam-bitanao, sy ‘zay mbola tsy hita.
Raha ny efa vitanao, no isan’ny hofoanana, hanaraka ny lasa.
Dia izao dia ‘zao, misy ny fotoana, ataovy indray ny kasa.
Avereno eto, irony dian-tanana, nandreraka ny aina.
Satria raha tsy eo ireny, dia ho mafy hatrany, ny herin’ny taraina.
Raha ny sitrakao, efa fantatro ihany, na dia tsy ho hambara.
‘Reny mihitsy, no isan’ny nandravaka, hahakanto irony amboara,
anaty fo mangina, miandry fanantena, miandry fo hiantra.
Tsy hisy iray akory, mety ho tavela, hiangarana ho hahantra.
Nanando…! Solon’anarana, saingy toetranao.
Nitondra fahasahiana, hamboraka ny marina, am-pon’ny mitalaho.
Nitondra fanahina, saingy lefy ihany, noho ‘reo vetsom-po.
Sarotra ny hilaza, fa ny sora-tananao, dia tsy avy any am-po.
Ra.Gaby…! Taona sivy izao, no nahafahanao, namboraka ny marina.
Taona maro, saingy mbola vitsy, ireo nianjera no tafarina.
Nisy aza niahy solafaka, noho ny asanao nandràtra fo,
saingy vitsy raha mihoatra, ireo mpamaky sendra soa.
Fa nanasitrana ihany koa, ny kapo-teninao ankolaka.
Nitsabo diso fanantena, nanotra fo, ‘zay sendra folaka.
Nanosi-po sendra trotraka, tsy sahy niroso an’ady intsony.
Ny asanao no hany toraka, nanasitrana ny fony.
Andolal’aina…! Tena anaranao mihitsy, famatotry ny toetranao.
Aina fototra mitoetra, zatra ady toy izao.
Saingy toy ny maro ihany, mba mitroatra raha mianjera.
Ny solon’anaranao, dia efa ampy, ho fandresena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/veloma-hoy-ny-fony | VELOMA HOY NY FONY… | RRAG | VELOMA HOY NY FONY…
Veloma! Veloma hoy ny fony!
Veloma! Ny fitiavany ih! Efa tsy any intsony!
Efa nanadino, ireny lasa mamy.
Efa toa nahita, akany tany ho any!
Aza omena tsiny, raha any no safidiny.
Aza fondroina akory, raha tsy nasiany vidiny,
ny fitiavanao! Fa izy sahy nandao!
Tsofi-rano fotsiny, tsy hisy raorao.
Raha toa ka mety ho any, ny akanim-pahasambarany!
Na koa mety any, no misy ny fiadanany.
Dia aza tanana izy, fa aleo handeha hisintaka!
Ny fitiavanareo mihitsy, no indro feno fitaka.
Veloma hoe, ry sombin’ny aina izay nitondra,
fitia fanalahidy, namahana irony zoga.
‘Lay hany fanafody, toka-nanasitrana,
nanarina ny lavo, nanohana ny vizana.
Veloma hoe, ry olom-po nandao!
Any izy any, aoka tsy ho kilalao.
Sao ‘ndray ho fisarahana, tahaka ny antsika.
Dia hangina irery izy, hitolona ny hatsiaka.
Veloma hono hoe, raha hafatra ampitaina,
sao lahy izy, mbola miasa saina!
Manenina amin’ny vita, na dia nanao veloma.
Tsy anjara hoe ny antsika, matoa, ravan’ny fotoana!
Veloma hoy izy, tonga izay ‘lay hafatra!
Mety tsy mirindra, mety tsy ho tonga lafatra!
Fa ny hany tanjoko eto, dia ny resaka ho tafita!
Veloma hono ianao, fa efa tena vita. Vita! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafintsalama-josefa/volan-tsinana | Volan-tsinana | Razafintsalama Josefa | Raha nisoka, natao tsy hiverina;
nony maty, natao tsy hiposaka,
kanjo io ihany io mitsingerina,
fa ny zava-malefa-pitosaka ;
fisehoany dia mihelontrelona ,
fa mitsidi-mitranga milentika
ary impito no maty ka velona
fa tsy tena dia lasa mirendrika
iry volan-tsinana andrefana
mahalala fotoam-piherenana!
Samy faly no sady finaritra,
ka indreny miainga mirohotra
eo an-kianja hikorana maharitra
ireo maro kilonga isam-bohitra;
fa ny zaza kamboty, manjonitra,
mahatsiahy ilay kibo nitoerana
sy ny ray nanao sikim-ponitra ,
faingy hani-mandalo miserana
toraka io volan-tsinana andrefana,
tsy mandika fotoam-piherenana.
Ireo hazo amoron'ny tevana
velon-tsento mangina tarafiny,
fa ny sainy he! mihevangevana
ka maniry azy io hotahafiny...
Dia voavetso ny ela nilaozana,
ka ny endrika, bika, nananana,
no tanian-kimpody , hiaranana
toraka io volan-tsinana andrefana
tsy mandiso fotoam-piherenana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/soa-nirina | SOA NIRINA… | RRAG | SOA NIRINA…
Mba satriko lahy, ny hiaina finaritra.
Ny haka ny tsiro, entin’ny tany.
Ny aiko anefa, mety tsy haharitra.
Fa toa manakaiky, ny faran’ny tany.
Mba niriko koa, no mpamafa ny sento.
Saingy ny ahy, vesatra amiko.
Dia ny hany ataoko, dia ny mivetso.
Mamafa mora, ny ranomason-tomaniko.
Mba tiako ry aina, ny hitia amin’ny foko.
Tsy misy takalony, na vidiny akory.
Nefa ny saiko, toa mitoloko,
manahy ny ho vokany, ka tsy hahita tory.
Soa nirina, saingy toa nofy.
Fanantenana, no hirindran’ny tosy.
Nefa ny fetra, tsy misy mahalala.
Tsy misy mahafantatra, ny faran-tantara.
Soa nirina, isam-panatenana.
Nitondra hatsiaka, fa tsy mba hafanana.
Nampibabin’ny aina, ràtra tsy zaka.
Aleo indray miaina, amin’irony an’ny lasa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleo-hatreo | ALEO HATREO… | RRAG | ALEO HATREO…
Aleo hatreo ny fahanginako,
ka hosokafako ny vavako!
Ary ny lasa tsy hiankinako,
sao havesatra tsy ho zakako!
Na dia lasa aza ianao,
Eny! Na dia hoe ninia nandao!
Dia ho ataoko vita anio,
ny ranomaso nentin’io.
Aleo hatreo ny fahandeferako,
sao ho fingam-panenenako,
ny fahatsoram-po ‘zay entiko!
Ka hampihombo ity aretiko.
Na ho ràtram-poko aza,
dia haveriko mazava,
fa satriko tsy hizonga intsony,
izato fiainan-donilony.
Aleo hatreo ny fahajambako,
raha toa nitondra ny hadalako.
Aleo hangina dia tsy hiteny,
ny ratsy vita teny ho eny.
Fa sao hanitatra ny zaitra!
Zaitram-pery ‘zay tsy laitra!
Toa milona fa tsy maina,
ka mandevy ny herin-tsaina.
Aleo ho hatreo ny fijaliako!
Aleo ho hatreo ny fihafiako!
Sao ho vesatra tsy zaka,
ka ny foko no ho voambaka.
Voambakanao ry hajambako! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-ory | TSY ORY… | RRAG | TSY ORY…
Kamboty Ray sy Reny, tsy manan-kianteherana,
mahantra fitia,
tsy misy fo miantra, mitondra tambitamby,
manarona ny dia,
fa sotasota lava, anaty sangisangy,
mandràtra fo mamery, arahin-teritery.
Teny feno latsa, tsipika famerana,
ireo dingana azo aleha.
Kamboty Ray sy Reny, tsy afaka manohitra,
solafaky ny fiainana,
nilaozan’ireo namana, tavela dia taraiky,
teny amoron-dalana,
mangataka ny arapaka, miezaka mitroatra.
Saingy raha sendra manana, dia tsy afaka mihoatra,
alaina ny eny an-tanana, fa lazaina tafahoatra!
Kamboty Ray sy Reny, lazaina fa tsy ory,
fa manana mpiahy,
saingy toa manahy, fa na dia alin-tokana,
tsy misy iray mba sahy,
manatona azy mora, manarona fitafy,
hiarovany ny hatsiaka, ‘zay tsy ahitany tory,
hiaretany ahiahy.
Fa raha misy hafanana, hitondra torimaso,
ny hifohazany maraina, dia tsy ho reny intsony.
Raha toa ka tafatory, ka reno-pahasambarana,
anaty nofinofy, sady tsy ory intsony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fiangarana-lava | FIANGARANA LAVA… | RRAG | FIANGARANA LAVA…
Ry lahatra! Toa fiangarana lava no iainanao.
Ny tsiny mandrangotra, manao ‘zay tiany atao.
Fiangarana lava, no ataon’ny lanitra.
Nahoana misy ny manana, dia misy mahantra?
Nefa ny hoditra, mba mitovy ihany!
Sa izany mihitsy, no fiainan’ny tany?
Miangatra loatra, ianao re ry vintana.
Ny aliny aza, tsy tarafinao kintana,
fa volana mainty, miafina azy!
Miangatra ianao, sa izany no sazy?
Sazin’inona anefa, raha mba azo fantarina?
Sazin’ny fiainana, noho ny marina a?
Izay hinian’ny hafa, hafenina mihitsy.
Dia modian-tsy hita, nefa tsy dify.
Miangatra loatra, ny tendrim-piainana.
Tsy afaka akory, ny mba hitarainana.
Vao mainka aza, mandrendrika ny osa!
Mandoto azy mafy, mba ho bokan-trosa.
Fiangarana lava, ny an’ny tany!
Tsy foana anefa, na dia hitomany!
Hiala vonkina, hisento mangina!
Toa vara-datsaka, tsy voavinavina.
Miangatra loatra, na tsy hiaiky aza ianao,
ry fiainan’ny tany, ‘zay be raorao!
Ka aiza ny fo, no tsy mba hivetso?
Fa fiangarana lava, no iainana eto! |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.