url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-be-manan-tsoa
RAHA BE MANAN-TSOA…
RRAG
RAHA BE MANAN-TSOA… Angamba ry tany tsy hisy sahirana, raha hitovy ny zara entin’ny fiainana. Angamba ihany koa tsy hisy hanahirana, raha lefy ny herin’ilay fitarainana. Angamba ry tany tsy hisy alahelo, raha ravan’ny fo ny ferin’ny lasa. Ary tsy hisy ny hamerovero, ny zava-tsy vitany tamin’ny kasa. Raha be ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soayin/mbola-mendrika-ve-aho
Mbola mendrika ve aho?
Soayin
Maniry ny hitafa kely Aminao aho, Fotoana fohy ihany raha mba sitrakao, Misy fanontaniana tsy mety voavaliko, Manaloka ahy, mameno ny saiko. Tsy hoe very aho vao itodika Aminao, Fa mba mangataka ny fahazavanao, Anilo ahy, anampy sy ampatsiahy, Ny fandaharana efa nosoritanao ho ahy. Tsy ny hamantatra mialoha ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miandry-ny-soa-ho-ranto
MIANDRY NY SOA HO RANTO…
RRAG
MIANDRY NY SOA HO RANTO… Iny vetsoko miampita, ry vorona mba hampitao! Ny adiko ato tsy mba vita, mila koa ny vavakao. Iny antso mitaraina, arahiko sento mitalaho! Vesatro loatra ny taintaina, ao am-poko hatramin’izao. Dia hiandry aho! Eh…! Hiandry soa mba ho ranto! Hiandry teny kely, arahim-betsovetso kanto. Ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tendry
TENDRY…
RRAG
TENDRY… Vao nifanjoy ny masontsika, ny bikanao no hany tazako! Ny tsikinao no indro hita, tendry angamba fa tsy lalako! Vao tsinjoko ny endrikao, dia nitsiry ny fitiavako. Toy ‘lay zana-draozy vao, hafoiko ho anao re rahavako. Vao nifankahita izaho sy ianao, dia efa tsapako ny anjarako. Fa ianao dia ianao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/atositoseho
ATOSITOSEHO
Fredy Jaofera
ATOSITOSEHO Atositoseho fa tsy isanareo itony tenanay ka mangaihay. Atositoseho f'izany rahateo no tiana tokoa sy ao an-doha. Atositoseho fa rehefa ho leo hangina ho azy toy ny voasazy. Atositoseho fa rehefa avy eo ho vaky barara ka hahita tsara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-marary
REHEFA MARARY
Fredy Jaofera
REHEFA MARARY Rehefa marary ny nofy tsy tanteraka, ny ora manjary sento be mandreraka. Rehefa marary ny rava nohadinoina, na dia ny vary, tsy hita ho manoina. Rehefa marary ny lasa niampy fosa, misy hita sary 'reo fotoana nahosa. Rehefa marary ny vava izay nafafiny, na dia ny voary, mamoy ny ankolafiny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/ny-lahatra-ve
Ny lahatra ve?
Harintsoa Gasy Mpikalo
Ny lahatra ve? Tsy ilay faniriana na ilay nofinofy No hany tanteraka fa dia zavatra hafa Ny mainty no niriana, nahazo ny fotsy Dia misy mihevitra fa toa lalim-paka. Tsy resa-bolok'oditra akory izy ity Na ihany koa halako bika tsy tiako tarehy Fa ny mateti-pitranga rehefa mitia Indrindra amin'ireo Mpitovo izay v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soayin/tsy-manam-paharoa
Tsy manam-paharoa
Soayin
Tsiambarateloko ianao, Fifalian'ny foko tsotr'izao, Fahasambarako ny ho eo anilanao, Hameno tsiky ny andronao. Ny tontoloko efa feno anao, Tsy haiko hazavaina ny anton'izao, F'ilay fitia mitsiry ao anatiko ao, Dia mitondra ny anaranao. Manana ny ampy aho misy anao, Tsy foiko ny fihin-tananao, Manome toky fa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampandry-ny-aina-manitra/ny-soratra-fanahy
NY SORATRA FANAHY
MAMPANDRINIAINA Manitra
NY SORATRA FANAHY Hanoratra aho dia inona No azoko vetsoina amin'izao minitra izao? Manko ilay ianao Fanahy mpanainga retsika Tsy tonga izay matetika Kanefa raha ny soratra tsy manana fanahy Moa dia hitoetra va? Ho lasa vetivety Fa tsy afaka hitety Ny ampitsonao akory. Sarisary moana sy soratra matory. Mato...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/haja-sy-dera
HAJA SY DERA…
RRAG
HAJA SY DERA… Raha soritina mialoha, ny fahefana hanananao. Na hofaritina avokoa, ny voninahi-tananao. Dia ho sarotra ny handrefy, izay tena toetranao. Ary ho sarotra ny hamefy, azy tsy hiova toy izao. Raha efa fantatra nialoha, ny fiafaran’ny fiainanao. Na koa, izay ho mety ho vadinao. Dia tsy ho olana an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/mpamaliha
"Mpamaliha"
Antsa tononkalo.R
Mpamaliha Izaho manohy ny diako, amin'ny soratra imatesako raha tahiny ka mateza? -henika ahy ny valopolo, Eny an-dalam-pamafazako. . . kalokalo tonga ho azy sarimonina ato am-poko. Toy ny refy tsarapaika izay nadika tsisy very tamin'ireny zava-boahary, tao am-pon'ny zazavavy ; Izay narafitro ho sary saris...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/ali-mainty
Ali-mainty
Dox
Njany rivotra mitsoka, rivotra mamirifiry, Mahangoly ny aty tsoka sady mampangirifiry; Efa maty re ny afo ka tsy misy hamindroana, Iza no hanafosafo? Ineny no tsaroana! E! Ry alin'alahelo! ali-mampahoriory, Tairinao hamelovelo ny eritreritro matory, Ka ny fasana mihidy no nanjary novohany, " Neny tiana " no tadi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soayin/mba-tahio-ilay-tiako
Mba tahio ilay tiako
Soayin
Satria nataonao izay nihaonanay roa, Tafaray, samy tia, nifanojo ny fo, Efa voasoratrao mialoha ny tantaranay, Tsy haharitra ve? Sa tena anjaranay? Samy nihevitra hoe efa tojo ny anjarany, Ny saiko niezaka nametra ahy ho namany, Samy tsy nisy nanampo ho raiki-pitia, Kanjo sendran'ilay tena tiana sy tia. Avy hat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahombiazana
NY FAHOMBIAZANA
Fredy Jaofera
NY FAHOMBIAZANA Ny fahombiazana dia fitambarana ezaka tontosa hatramin'izay nisy fahavoazana sy, indrisy, nitofezaka vao hafaliana ranoray.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soayin/azafady-ary-e
Azafady ary e!
Soayin
Azafady akia ry tiako a, Ifonako na dia tsy fanahiniko, Niavonavona sy nidongidongy, Nangaringarika sy nilongilongy, Nilanila vaniny sy be kizitina, Tezitra tamin'ny tsy misy dikany. Azafady akia malala a, Mamelà ny toetrako adaladala, Azafady tsy nandray ny antso, Nangina, nampiady maso, Nampifila, nanao be ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nanando
NANANDO…
RRAG
NANANDO… Ny arahabanao maraina, anaty hafa-tarobia, manome ‘reo tokin’aina, manambara ilay fitia. Misy hantahantakely, miantso ahy hoe: “Nanando”. Satriko io mba ho fiteny, fiantsonao ahy isan’andro. Io no anaram-petaka, fiantsonao ahy indraindray. Fony ianao mbola teto, Moramanga fahizay. Nampaherezana ahy raha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tojo-izay-nirina
TOJO IZAY NIRINA…
RRAG
TOJO IZAY NIRINA… Ry tiana a! Tanteraka ny nofiko, ‘lay ho eo anilanao. Ny faniriana a! Dia ny alitara, no voady vaovao. Tontosa na dia vesatra, ny lalana nodiavina. Tafita na dia reraka, nilanja ny fitiavana. Tanaty honahona, nisedra ireo tadio. Soa fa ny hakamoana, resin’ny anio. Ry tiana a! Vita ilay voady...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nambinin-tsoa-sa-fanaperan-tsoa
NAMBININ-TSOA SA FANAPERAN-TSOA?
RRAG
NAMBININ-TSOA SA FANAPERAN-TSOA? Na tsy hiteny, hisaotra ny lanitra, ny vavan’ny kamboty. Na tsy hitraka, hiandrandra ny avo, ireo nahavita toky. Na koa tsy hidera, ny soa ‘zay natao, ireo ‘zay nampiana. Dia mbola misy any, manantena, fa manam-paniriana. Ny hilohalika eo, eo anatrehan’ny lanitra, lanitra ambony. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiny
TSINY
Fredy Jaofera
TSINY Malaza tsy ihinanana toy ny vilian-tsahona ny anaranao iny ka tsy hay ihavanana fa nahitana vahona sy nanome tsiny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/esey-e
ESEY E…!
RRAG
ESEY E…! Noheverinao hoe hampivonto ny oroko, ianao mijadona mahita ahy! Mifamihina mafy amin’ity hoe mba soloko, ny mijery aza anefa toa tsy mba sahy! Mangarika ery toa tsy te hahatazana, Manifi-doha rehefa hita! Mangala-pijery dia ‘njao mitinazana! Fa ‘ngaha moa tsy hoe efa vita? Esey e! Manaiky molotra fa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fisainana
FISAINANA…
RRAG
FISAINANA… Tsy ny ditra vitan-dasa, no hitsaràna hadalana! Tsy ny ràtra nentin’ny hafa, no hitondrana fandatsana! Tsy ny fo mirako-pery, no hisaonana aman-taona! Tsy ‘zay nofinofy kely, no andaniana fotoana! Fa ny fisainana mihitsy, no mbola mila fiovana! Ny toetra nentin’ny ela, tao anaty fahazazana! Mila pejy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiana-sy-lalaina
TIANA SY LALAINA
RRAG
TIANA SY LALAINA Ny tiana hafa ihany, fa feno fandeferana. Tsy mora revo izany, amin’ny aloka miserana. Ny fitia dia voka-po, hasin’ny nahary. Mampiray fo roa, na maromaro izany. Ny tiana fanantena, fanandratra ny lavo. Ny fitiavan-tena, tsy mahatonga avo. Ny Firaisankina, dia voa avy amin’ny tiana. Efa voajana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tafita-ny-aina
TAFITA NY AINA…
RRAG
TAFITA NY AINA… Isaory ny ao ambony fa, voadingana ny sedra, tafita ny tetezana, nofisina hiampitaina! Nivadika ny pejy, niova ny tantara, tafitan’iny taona, tafitan’iny ny aina. Na dia mafy aza, ny ola-nosedraina! Ka pejy vaovao, no hanoratana tantara. Tafita ny aina, na dia mivesa-joga, tafita ny aina, na dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hanitry-ny-vero
HANITRY NY VERO…
RRAG
HANITRY NY VERO… Miavaka sy tokana, ny haingon’ny natiora. Ny hazavan’ny volana, no mahavelon-kira. Ny endriky ny kintana, no mampiray fitia. Ny tsikin’itsy vintana, no nahatonga hiara-dia. Ny hanitra mandrakotra, ny fo mitia mangina, no vero tsara tsiry, anaty faniriana. Manosika ny fo, hizara fifaliana, amin’...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-avelanao
RAHA AVELANAO…
RRAG
RAHA AVELANAO… Raha avelanao hijanona hitaratra ny aliny iry vola-manjopika sariaka tava iry! Dia mety hovoafafa, ‘reo ràtran’ny omaliny. Fery nitoetra, vokatra fitia! Ry nofin’ny hoavy, etsy matoria, mijanona kely, hamangy izato alina! Fa mbola manantena, ity fony tia, ny hahita ilay tiany, ‘zay tia azy marina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-lavina-kanefa
TSY LAVINA… KANEFA…
RRAG
Aingam-po somary natosaky ny aingam-panahy, tsy valin-kafatra fa valin’aingan’ny tononkalo nosoratan’i Rado. Tononkalo nampitondrainy ny lohateny hoe: “Andevony” tao amin’ny boky “VONINKAZO ADALADALA”, pejy 167. TSY LAVINA… KANEFA… Ny lelany no bada, ka tsy nahay niteny. Ny sainy no nirada, nanadino tenin-dreny. Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fanojo
FANOJO.
RRAG
FANOJO. Nifanojo hoe ‘nareo, nifankahita teny ho eny? Nifampitafa! Nifaneho! Nifampizara ny fahiny! Nifampitaona koa avy eo, ka nisotrosotro teny. Dia ny zavatra niseho, bevohoka no niafarany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tokoa-moa-izany
TOKOA MOA IZANY…
RRAG
-HO ELA VELONA ANIE I MADAGASIKARA- Manonja ny foko! Miontana faly sa feno hakiviana? Midoboka anaty, tsy hoe tebiteby na misy ahiana, Ravo satria, voatsapa fa misy ny firaisan-tsaina Aty sy afero ny fo Malagasy: Mifaningotr’aina. Midobok’amponga, mively lamako ny foko ao anaty Ny fanantenana no reko manàko fa mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/menomenon-tsaina
MENOMENON-TSAINA…
RRAG
MENOMENON-TSAINA… Tsy takatrao ny takany, tsy fantatrao ny ainy. Tsy lalanao ny lalany, sy ‘zay ao an-tsainy! Ny eritreri-tsainy, mikorontan-tsy miato! Mitsako izay mangidy, mitelina matsatso! Ny taoka no hany namany, namaly izay karohany! Iny ilay sakaizany, akamany tsy foiny! Mpiresadresaka aminy, mpamaha ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/antsa-tsisy-fetra
ANTSA TSISY FETRA…
RRAG
04 Nôvambra 1994 – 04 Nôvambra 2020. Mitsingerina anio ilay ngidim-piainana nilomano tanivon-dranomason’ny ankaso foiny aho vao 4 taona monja. Lavon’ny setrasetran-dahatra teny an-dalam-pihazakazahana ilay aina, sakaiza tena namana sady koa zandry iray rà amin’ny tena (RAKOTONDRAVAO Tsiorinirina Antsalalaina “Olivah”)....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faniriana
FANIRIANA…
RRAG
FANIRIANA… Izato bikanao, mitondra faniriana, ho an’ny foko adala, maniry ny ho tiana, ka antsoinao malala, satria tiako ianao! Itony hantanao, feno angolan-teny, no injay nanaitra ahy, hikiry mba hijery, na dia indray mitopy, ny endri-tavanao! Angamba hadalako, no tsy niloa-peo, namboraka fitia, f’ilaoza-nitor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tody
TODY…
RRAG
TODY… Na dia mafy aza ny onja, ka mahafindra ranomasina. Na ho hahidy am-ponja, sy hovonoina tsy hisy hasina Ny mpitolonao ry taniko, dia hitolona eny foana aho. Fa ny tsy fantany, dia ny tomaniko, dia mety hanafaka anao! Na haizin-dava aza ny iainana, na oran-dranomaso lava Ràtram-balam-pitarainana, araham-pahav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-tsy-mandrava
RAHA TSY MANDRAVA…
RRAG
RAHA TSY MANDRAVA… Raha tsy mandrava toe-tsaina, efa nilaozan’ny fahiny, dia tsy hisy fandrosoana, eo amin’ny tolom-pirenena. Raha tsy manova fomba fiaina, manaraka ny ankehitriny, dia fandaniam-potoana, satria hiandry fanerena. Hiandry didy havoaka, hiandry baiko foana! Hiandry olon-tezitra, hanao baiko moana! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-lavina
TSY LAVINA…
RRAG
TSY LAVINA… Tsy laviko ry aina, fa manam-petra ianao. Ianao koa ry saina, mbola be lalao! Tsy laviko fa hoe, mitsiry ny fitiavako. Mba saino kely ange e! Hoe: “Ianao no ilay malalako”! Tsy laviko ny fetra, nosoritim-piainana. Tsy laviko avokoa, ny foto-pitarainana, raha sendra olon-tiana, nefa toa tsy tia. Ireo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/mandra-pahoviana
MANDRA-PAHOVIANA
RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Mandra-pahoviana. Mandra-pahoviana no hanaiky ny saina, Ka tsy ho afa-mihevitra izay tena marina? Tsy afa-mandinika fa nogejaina, Hanaiky ireo lainga izay mora fantarina. Mandra-pahoviana no ho gadra ity nofo? Milanja ny heloka izay tsy natao, Sy tsy afa-mifoka ny rivo-mifofo, Fa voageja mafy tsy hanao izao sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miora
MIORA…
RRAG
MIORA… Toy ny hakanton-diamondra, ‘lay firavakao matetika, ny hakantom-bikanao. Toy ny herin’itsy onja, mivatravatra be fitetika, ny fijeriko anao. Meva sady kanto, rindra sady soa! Toy ny bikan-dranto, mora manaitra fo! Toy ny rava-bolamena, ny fijerinao ny masoko, manganohano mijinery, ny taratr’ito tavanao. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rovanny-safidy
ROVAN’NY SAFIDY…
RRAG
ROVAN’NY SAFIDY… Ao anaty fo mangina, ‘zay mangina tsy miteny, no mitoetra ny fitia, mihiboka ao anaty. Ao anaty fijaliana, ianao tsy misy mba mijery, no misy ihany ireo fỳ, sy tsiro tsy mba maty. Ao anaty akanim-po, manantena fahafahana, no manjaka ny safidy, nofinofi-mpanantena. Ao anaty ny soa, no misy haizin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dia-hoe
DIA HOE…
RRAG
DIA HOE… Anareo ny basy, ny vola sy harena! Anareo ambongadiny ny firenena! Anareo ny lalàna, ka ‘zay tiana hofaizina! Anareo hatramin’ny tranomaizina! Anareo daholo izay tiatianareo! Hatramin’ny lanitra aza hoe anareo o? Dia tsy menatra intsony ny tsindrio fa lavo, satria anareo ny fahefana avo! Ny anay izan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampandry-ny-aina-manitra/riankalo
RIANKALO
MAMPANDRINIAINA Manitra
Ranabavy ... Hafatra mifono teny vita an-tsary no efa nomeko anao foiny ianao vao nanokatra rindrin'efatrao amin'ny voadin'ny fitia. Nikatsaka ianao ka nahita, nahita ianao dia tsy nionona, tsy nionona ianao fa nandalina. Dia hainao ny atao hoe "fitiavana". Ankehitriny, voafehinao tanteraka ny toy ny antsafa ny zotra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aboiboiho
ABOIBOIHO…
RRAG
ABOIBOIHO… ‘Lay mbola tsy nivoaka, sy ‘reo tsy tafaloaka! Ilay mbola tao anaty, sady tsy nety ho faty! Aboiboiho aloha, fa mankarary fo! Irony tsy tambo isaina, nondesin’ny taraina! Iretsy alahelo, minia mihelohelo! Aboiboiho raha mety, fa sao indray hampihetry! Aboiboiho daholo, ny ràtra manontolo! Aleo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/itsy-kintana-itsy-akia
ITSY KINTANA ITSY AKIA...!
RRAG
ITSY KINTANA ITSY AKIA...! Itsy kintana itsy akia a! Toa mijery antsika roa a! Manambara fa fitia, ilay mitsiry ao am-po! Itsy kintana itsy koa e! Mpitondra ny hafatrafatsika! Ilay mahafantatra ny zo! Ilay hifamatorantsika! Itsy kintana itsy angamba! Ilay mpamafa ranomaso! Ilay modiantsika ho jamba, rehefa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-misy-andro
RAHA MBOLA MISY ANDRO...
RRAG
RAHA MBOLA MISY ANDRO... Raha mbola misy sombiny, na andro fohy dia fohy. Raha mbola omena tombony, amin'ny lalana hitohy. Dia ny hitondra fanovana, an-tsoratra ny saina. No tiako hifandovan' ny alina amin'ny maraina! Raha mbola misy sioka, miantso fo fa tia. Raha mbola misy ambiokan' ny fihatsarambelatsihy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-ianao-rahavana
TIAKO IANAO RAHAVANA...
RRAG
TIAKO IANAO RAHAVANA... Atambero isan'andro ry eritreritro mania, fa tsy any ilavitra any, no mitoetra 'lay fitia. Fa eto anilanao 'lay tiako, sady tia ahy koa! Malalako! Tokako! Sady famatotry ny fo... Mitamberina anio, ilay androm-pifaliana, tsy hirina velively, hivadik'androm-pahoriana. Fa ny kinasan'ity foko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miseho-tsy-mahalala
MISEHO TSY MAHALALA...
RRAG
MISEHO TSY MAHALALA... Mimamo amin'ny taoka miary labiera, migoka tavoahangy fa tsy misy vera! Midoroka setroka anivon-tsigara, ilay misy voany koa ry tsy miala! Dia 'ndrao fa misidina ny eritreritra, masoandro miposaka lazai-milentika! Manonofy ny hoe ary elatra, hay moa ka nofy ity mampitselatra! Mampihogaho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/andao-ho-avela-ary-ny-fah
BARAINGO ?
RAFENOMANANTSOA SANTATRA
Andao ho avela ary ny fahotany dia tsy ho torahana izy fa ho hitanao ny fanjakazakany amin'ny ratsy amin'ny maha azy biby. Dia andao ho torahana ary izy ka ho tafaraka samy manota ho biby mamono ny biby fa ny maha samy hafa azy kosa. Dia misy biby tsy mamaky trano misy biby tsy manao dahalo fa fotsiny mampiha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/mitomany
MITOMANY
RAFENOMANANTSOA SANTATRA
Mitomany ny fo mahatazan'irony talaho ataon'ilay tia amin'ny tiana mandao dia manontany tena hoe,mantsy raha mba izaho no itomanian'ny tiako toy izao Dia ho sambatra ny foko satria izany lehiretsy no tena fitia nefa moa rahoviana vao mba hisy izany voninkazo hitomany ity fo tena tia Ny tazako sy hitako zao dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eeh-andriamanitra-o
EEH! ANDRIAMANITRA O!
RRAG
"Indrisy fa resin'ny harerahana indray ny tena ka tsy nihafana akory ny tsy fahasalamana dia nipoly niverina namandrika toerana. Mila vavaka avy aminareo namana sy sakaiza atao ampinga hanampiana ny fitaovam-piadiana an-tanana ahafahana enti-miady... Mankasitraka!" EEH! ANDRIAMANITRA O! Indro fa nazeran'ny herim-paho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/jamba
JAMBA
RAFENOMANANTSOA SANTATRA
Jamba aho teo aloha Jamba aminao ry Andriamanitra Diso loatra tsara fo ka tsy nijery afa tsy ny lanitra. Diso nanao ny marina loatra ka tsy nety mba nivoatra fa nahantra foana teny noho ny herinao ry teny. Ankehitriny aho zao mahiratra Mahiratra aminao ry tsy misy Lasa deba toa Didier Ratsiraka raha vao nita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izany-a
IZANY A?
RRAG
IZANY A? Raha sendra mahatsiaro, 'reo resadresatsika, somary nafangaron'ny hamamoan'ny tena! Ka mbola mahatsapa, ny ho mbola tsy tafita, na dingana iray aza, fa teo nihenahena. Dia miverena kely, hitafatafa indray, handrafitra 'zay paika, afaka ny ho atao. Satria tokoa angamba, rehefa tafaray, no tena ary elatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tanisoa/ikalakely
IKALAKELY
Rakotoharisoa
Dia lasa indray Ikala rehefa mody ny olona Alina ny andro, manomboka ny tolona Ny tarehy marevaka, maika ny fandehany Hitsena ireo mpanjifa, hivarotra ny tenany Salorana ny tsiky, mavitrika ny dia Mihirahira kely mihitsy aza sanatria Tsy eritreretina izay mety ho tonga eo Maloto, ratsy fofona, mety hampiaka-peo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nisy-hasasarana
NISY HASASARANA
Fredy Jaofera
NISY HASASARANA Nisy hasasarana vao tody izay nirina mbola nanambarana ny hery mangingina. Nisy hasasarana vao azo izay nilaina, na tojo be fiakarana tsy haiko tantaraina. Nisy hasasarana vao ravo ny fanahy sy lalam-pivoarana natefy tsara ho ahy. Nisy hasasarana vao niala ny aizina sy mba fitsaharana ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indrisy-ry-taona-a
INDRISY RY TAONA A!
RRAG
INDRISY RY TAONA A! Segaondra atambatambatra hirafitra ho minitra! Minitra maromaro no indro zary ora! Ora mifameno ho dimy andro sisa. Dia tapitra ity taona tomefin'ny herin'ny onja! Indrisy ry taona ninday 'reo fahoriana, hangidy toa anao ve itsy mbola hoavy? Ianao mantsy akanim-pijaliana, fery miombon-dràtra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/omeo-sombintsombiny
OMEO SOMBINTSOMBINY...
RRAG
OMEO SOMBINTSOMBINY... Andriamanitra o! Raha azo hatamberina, na koa mbola azo hotazana, ny hafaliana lasan'itsy taona dify... Dia etsy atambereno, avereno hofafazana, hitondra hazavana omban'ny tsikitsiky... Andriamanitra o! Raha misy tsy hay fafana, ny lasa sy ny etsetrany, dia hanombino kely ny fery nitoetra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/samy-manana
SAMY MANANA
Fredy Jaofera
SAMY MANANA Samy manana ny vintany, samy manana ny fintany ka tsy afaka ny hitovy ny ho azo re, tsarovy. Samy manana ny tsarany, samy manana ny tarany ka tsy afaka ho sahala ny vazo matoa miala. Samy manana ny tanjony, samy manana ny anjony ka tsy afaka ny hiaraka rehefa eso no miraraka. Samy manana ny val...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tononkalo-ny-tantarako
TONONKALO NY TANTARAKO
Fredy Jaofera
TONONKALO NY TANTARAKO Tononkalo ny tantarako hatrany am-boalohany matoa izany ambarako, na zavatra tsy tohany ! Tononkalo ny fitiavako mahavariana lalandava maharavo itony tavako ka injao manavatsava. Tononkalo ny alaheloko mampahory marimarina, misy be tsiambarateloko hatrany raha tsy itarina. Tononkalo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nambinina
NAMBININA…
RRAG
NAMBININA… ‘Lay rojo teny an-tenda, haingom-batanao, no nitondra vintana, sy fahagagana toy izao. Nambininy ianao, ny mba hahita soa! Olon-tia moa anao, ‘lay sady mora fo. Nambinina ianao, fa nifanena taminy. Ianao mihitsy, no namafa ity tomaniny, fony izy ilay nisento, nilaozan’olon-tiana. Ianao mihitsy, no na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-fonao...-ho-anjarako-ve
NY FONAO... HO ANJARAKO VE?
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
NY FONAO... HO ANJARAKO VE? mbola malalaka va ny fonao r'ikalamanja hitempon'ny foko sa efa tinerin'ny fitia maro loko ilay toerana mamy niriako hatrizao? toy ny amboara iadiana eran-tany ilay fonao mitempo tinokam-pitia toa hifandrombahan'ny olona tia no sady totofan'ireo teny mamy samy teny roa no hafafiny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/haka-azy-ve
HAKA AZY VE?
RRAG
HAKA AZY VE? Ry fasana romotra be fanantena, mandrafitra fandrika ho an'ny osa. Maika ery hahita azy hianjera mioraka mafy fa sendra aina votsa! Manoka-bava fa ramaka mafy, tsy mifidy arapaka na dia sisam-paty. Tsy ny amoron-tevana no tena jonoiny, fa 'lay mirijarija no injay fa fofoiny! Ry fasana noana tsy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/tsy-ho-haiko
tsy ho haiko
M'art-son Emmanuel
injay miserana mangina mibitsika milanto misalo sy misafo ny kalonao fahiny an-tsofiko mazàna,kanto ankehitriny novidiko lafo fa tsy haiko ny hanandino anao ... mitamberina an-tsaina , toa arahina tsiaro mintaraina miantso hoe miverena saingy efa rano raraka, tsy azo raofina tsy hay fefena ankehitriny 'zary...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/hatraminizao
hatramin'izao
M'art-son Emmanuel
tiana ah, ry 'lay tiako fahiny hatramin'izao dia very ny saiko very ny foko taraiky any aminao any kely ny aiko tsy zakan'ny loako manembona ny any aminao any ... embona tsy zaka kanefa tonga na lavina diso fiantefa toy ny tsiky tsy ravina ny alahelo zakako ihany fa ny fendrofendron'ny tsiaro mila ahafaty ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/antson-ny-fasana
Antson' ny fasana
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Misy ny antso mangiana tsy re Miantefa malefaka sy tsy azo lavina Dia lalana hafa indray no aleha Ilay lalantsarotra tsy maintsy diavina Lay antsu nalefan' ny fasana hono No tunga ka maka izay tiany mba ho any Kanefa ny vatana dia hovonoiny Haveriny ho vovoka sy ho nofontany Ka rahefa nandeha teny ny andro sy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ity-raozy-ity-avelako-ho-anao
ITY RAOZY ITY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ity raozy ity no hokarakaraiko Sy ho kolokoloiko mandram-pahamainany Fa zary vahy irohizan' ny aiko Hihaino ny sentoko sy ny tarainany Ity raozy ity no obeko fitiavana Hu fahatsiarovako ilay olon-tsoako Ho hitako hariva maraina ho tazana Fa raozy navelan' ny mahery fo-ko Ity raozy ity no horohiko foana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/lasa-ianao
LASA IANAO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Manjombona ny tava, misento koa ny fo Mandalo sy miaina ity sengondra ity Sarotra ny hino sy hanaiky koa Nefa izao no misy dia mionona satria: Anjara efa voatendry iainanao izao Tantara efa voasoratra tsimaintsy nolalaovina Sengondra efa voatondro mba handehananao Lalana voasoritra tsimaintsy nodiavina Ka dia r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-lehibe
REHEFA LEHIBE
Fredy Jaofera
REHEFA LEHIBE Rehefa lehibe ny alahelo misy, tsy afa-manome ny fitia, indrisy. Rehefa lehibe ny latsa namely, tsy afa-mandre iny feon'angely. Rehefa lehibe ny ozona nafafy, tsy afa-mandeha ny hetaheta mafy. Rehefa lehibe ny ratra nahavoa, ny fahendrena re ny mandao tokoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanomezantsoa-lcv/ilay-fitia-tsy-mety-maty
Ilay Fitia Tsy Mety Maty
Fanomezantsoa Lcv
Nahagaga ahy ilay fitia Noheveriko fa maty No indro indray nifoha Nahagaga ahy ilay fitia Fa miha-mafana hatrany Mampahatsiaro ny taloha Miredareda be hatrany Mandoro toa tsy tanty Mandoatra ny any anaty Ka ho averiko ambara Eny na tsy ho anjara Tiako fona ianao malala Ho tiaviko mangina Ka na inona miseh...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/rediredy
REDIREDY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Adaladala ve ny foko K' hanantenantena foana Raozy ka tsy hiofo loko Ao anaty lohantaona Fa lay hany voninkazo Nimatesako maraina Nantenaiko tsy halazo No he mihintsana sy maina Fa ny felan' ny hatsarana Izay mba nifidianako azy Mba ho haingon' ny tanana No.he indrisy fa voasazy Lay endriny mahafatifaty No...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/veloma-avelako-ho-anao
VELOMA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Manao veloma anao ny vatana amam-bikako Fa ratsy sy tsy mendrika ho namanao akory Dia mba aleveno ny nofo-mangatsikako Hidio anaty fonja tsy ho hitanao intsony Manao veloma anao ny fanahy mampalaheloko K' aza iriana akory mba hamelovelo Dia mba esury antsaina lay fo mahantra keliko F' ataovy toy ny setroka, tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ianao
IANAO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
IANAO! ianao ilay lavitry ny maso nefa akaiky ny fo mbola antsoina hoe: "silam-panahy" ianao ilay lavitry ny fo nefa tsy lavitry ny maso fa andrandrain'ny hoavy ilay antsoina hoe: "faniriana" ianao ilay mitoetra anaty nofy manan'endrika ankamantatra ilay mitoetra hanabakabaka mbola antsoina hoe: "fanantenan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/eo-imolotro
EO IMOLOTRO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
EO IMOLOTRO! eo imolotro eo misy teny mamy natosaky ny fo monja teny roa kanefa hitondranao hitety ny alina mangina eo imolotrao misy valin-teny antenain'izato foko teny tokana monja kanefa dia mafonja ampy hisambarako eo imolotro eo misy hantahanta misarangotra fitia miandrandra miangoty manantena fo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-andro-noely
NY ANDRO NOELY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
NY ANDRO NOELY rehefa tonga ny noely toa hoe: fetin-jazakely dia tsy maintsy atao milay ny kilalao anay ny sakafo ihany koa tsy maintsy misy hena-kisoa ny vorona tsy hadino f'ireny koa matsiro ny hariva any am-piangonana mijery fety aman-danonana mihaino hira sy tsianjery, mihaino tantara mistery hoe: tong...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/tonga-indray-re-ny-noely
Tonga indray re ny Noely
Hajanirina Mahavaly
Tonga indray re ny Noely Andro malaza sady soa Teraka ny Tompon'ny anjely Ilay Jesoa Mpanjaka soa Mifalifaly izao tontolo izao Manandra-peo feno fiderana Fa Mpamonjy re no teraka Ilay nitondra fahazavana Fa ny zanaky ny Avo No natolotry ny Ray Tonga nampiravoravo Fa mpanavotra anay Eny tretrika tokoa He , ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-anny-tena
NY AN'NY TENA
Fredy Jaofera
NY AN'NY TENA Ny an'ny tena ny tanindrazana, mampahonena rehefa tazana. Ny an'ny tena ny renivohitra, mainka mivena rehefa avohitra. Ny an'ny tena ny kolontsaina, na dia harena, tsy antenaina. Ny an'ny tena ny fandrosoana, tsy hay volena fa fandotoana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fisaorana-misaotra-anao
Fisaorana
Hajanirina Mahavaly
FISAORANA Misaotra anao izahay ry Ray Noho ny fitiavanao anay Nahatratra izao fotoana izao Noho ny fitantananao Nifankatia tokoa izahay Nitoeranao Jehovah Ray Tanteraka aminay hatramin'izao Ny Fitiavan-dehibe avy Aminao Tao ny tsiky sy tomany Fitsapana mahamay Nifalianay hatrany Satria avy aminao ry RAY Mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/alahelo-anaty-fanginana
ALAHELO ANATY FANGINANA
Fredy Jaofera
ALAHELO ANATY FANGINANA Alahelo anaty fanginana, efitra feno hamaizinana no iainan'ny foko, zareo, ka latsa-tomany vao teo. Alahelo anaty fanginana, tsy mba hay anombinana no mandrebireby daholo, mamely ahy manontolo. Alahelo anaty fanginana, saino sy asio fandalinana fa mampahory tanteraka, sady mbola mand...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/ora-vitsy-sisa-no-isaina
HIFARANA NY TAONA
Hajanirina Mahavaly
Ora vitsy sisa no isaina dia hifarana ny taona Ho hatao veloma fa tsy sanatria ho mandram-pihaona Isaorana ny Ray ao ambony ireo trangan-javatra niseho Tao ireo fifaliana nampiravo , sy ny alahelo nampitoreo Fotoana izao , hitodihana sy handinihana ny lasa Hamaritana ihany koa ,ireo vinavina ho kinasa Hatao tomba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noely-no-tonga
NOELY NO TONGA
Fredy Jaofera
NOELY NO TONGA Noely no tonga ka mahavariana ; jereo ny kilonga fa be fifaliana. Noely no tonga ka hafinaretana, efa mahadonga no manentana ! Noely no tonga ka jiro igagana mpirongaronga no fanantenana. Noely no tonga ka dera sy laza fa tsy somonga ho an'ilay zaza.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/raozy-maina
RAOZY MAINA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
SANTATRA Satrin'ny saiko ny hoe hanadino An'ilay olo-tiako kanefa tsy tia, Nefa ny foko tsy mba mety mino: Tsy maintsy misisika foana hitia. Adidiko mantsy ny ho te- sy maniry, ho Tiavin'ilay olo-tiako tsy tia, fa Raozy voavoly ka tsy hay.raha hitsiry Anaingo ilay foko adalam-pitia FANANTENANA FA lohantaona i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/neny
NENY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Any ianao ry neny, tsy eto anilako eto Raha malahelo ianao, izaho aty misento Noho ny elanelana dia tsy hitako ny atao Malahelo aho aty, ka mahatsiaro anao Ny andro iray anio, ity fetinao ity Mampanembonembona ny any sy ny at Raha sendra nania, teo ianao niaro Ka trosako aminao, raha izaho no tsy hatsiaro Noho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-talenta
NY TALENTA
Fredy Jaofera
NY TALENTA Ny talenta, fanomezana avy amin'Andriamanitra tsy tsara hihomehezana fa manam-pofo-manitra. Ny talenta, fanambinana manondrotra eto an-tany katsahina am-panginana hitombo foana sesilany. Ny talenta, fahasoavana mivatsy fahasambarana tsy kelikely fa goavana sy mamoha ny anarana. Ny talenta, fanan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/fahendrena-ve
FAHENDRENA VE,
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
FAHENDRENA VE? ireo fahendrena narindrin-ko vato notenifin-tsimenitra kanefa tsy mafy tsara rindra sy rafitra mamatovato saingy trinesaky ny ela ka potika anaty ireo fahendrena natsangan-ko fefy nirodan-tsy satry navalon'ny taona nisoko mangina toa zary mpandresy ilay rivo-pivoaharan'ireo tia fandrosoana ireo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/hihira-ho-anao-aho
hihira ho anao aho
Jayah Razafi
Nihira ho anao ny foko,ry manja fanaperana Hatrany mbola koa mihira ho anao Hihira ho anao ny foko, hatramin'ny androm-pahaterana Hatrany hihira ry katon'izao tontolo izao Niantsa ho anao ny vavako,r'ilay zavavy poezia Tsy nitsahatra niantsa ny "ianao" Ary hatrany mbola hiantsa anao famborahana fitia Toy ny izao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ianao-malala
IANAO MALALA
NY HERIMAR
IANAO MALALA Tiako ho ahy tsy hitambarako, Tiako ho ahy hisambarako; Tiako hokarakaraiko, Tiako ho ahy holalaiko. Tiako ho ahy mba hitsiako, Tiako ho ahy hifaliako; Tiako ho ahy tsy mba lafatra, Tiako tena ho ahy fatratra. Tiako ho ahy hiova toetra, Tiako ho ahy hitomoetra; Tiako ho ahy hiafiana, Tiako hiar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lila-ratsifandrihamanana/tsiaro-ho-ani-zo
Tsiaro ho an'i Zo
Lila Ratsifandrihamanana
Raikitra ato an-doha ilay niarahantsika Efa-mianadahy Fa sendra tafahaona vao vetivety foana Ravo ny fanahy ... Nahita anao sariaka sy mirana erý Nanolotra ho anay ny tsiro sy ny fý D'Ianao niteny hoe, somary mihomehy « Tandremo sao tsy tonga, rehefa izaho no handeha ! » Toa vazivazy monja, kinanjo tsy hitahita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/avelako-ho-anao
AVELAKO HO ANAO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Atambatro ho iray ireo samihafa maro Ireo niarahantsika niaina hatramin'izay Ireo izay tsy nitovy dia eto no hafangaro Ireo faka maromaro, ho fototra iray Ny tsiky natamberin'ny molotrao ireo Soratako ato am-poko mba ho sary miaina Ataoko kalokalo no sady asiako feo Vao ampodiako any ho azonao hiraina Ireo mini...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/varilavo-alahady
Varilavo Alahady…
AbouNusrayni
Varilavo Alahady… 1.Raha alinalina fodiana ao indray Alahady, Ka nitady voan-dalana mba ho entina any an-trano. Dia tena tsapako mitobak’ireo mpamoaka ny fady. Mifanaretsaka izay tsy izy ny mpivarotra sy mamo. 2.Alahady noheveriko ho andro masina hatrizay, Mba hampipirin’ireo lavo sy ireo trotraka am-panahy; No ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/te
TE
Fredy Jaofera
TE Te ho reny anefa ny saina mamohehatra ; tsy ireny no azo hajaina, omena sehatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/mihevitra-ho-mpanjaka-man
Maniry manitra
Jayah Razafi
mihevitra ho mpanjaka manoloana filanjana ary koa efa miatrana ny mpilanja mahatoky toy izany indrindra ny foko aky malala feno fahatokisan-tena vao eo anilan-droky dia mihevi-tena mihitsy ho olo-manan-kaja handeha hanitsaka irony lamba menamena toy izany indrindra ity foko mifaly havanja raha vao lalovanao han...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-maika
AZA MAIKA
Fredy Jaofera
AZA MAIKA Aza maika handoro 'reo taratasintsika no hevitra azo atoro rehefa tsy sariaka. Aza maika hanimba ny dina sarobidy fa tsy ho voazimba, na inona no didy. Aza maika handaka ny fitia nomena fa mbola lalim-paka izay efa nekena. Aza maika handavo ny fenitra rehetra fa mbola nampiravo ahy raha mitoet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-kabarin-tsaka
TSY KABARIN-TSAKA
Fredy Jaofera
TSY KABARIN-TSAKA Tsy kabarin-tsaka no fahaiza-miaina tsara hiorim-paka raha te hohajaina. Tsy kabarin-tsaka no fampiasa lava vao hahazo laka ny tiana hazava. Tsy kabarin-tsaka no zava-mahasoa vao indro hanjaka ny « mandrosoa ». Tsy kabarin-tsaka no voizina etoana vao tsy mba daka sy fanesoesoana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/matoa
MATOA
NY HERIMAR
MATOA AHO... Ny fanahy no vady Ny hatsaran-tarehy mandalo ihany; Matoa aho nivoady Efa vonon-tsy himalo, hiaro izany. Matoa aho nisafidy Hanadino ny lasan'ny akanimpoko Na inona hangidy, Ho sedraiko am-pahamamiana hovaiko loko. Matoa aho tsy naharitra, Efa ela niaretana Ka nahatratra fetra, Fa ny mahafinarit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noely
NOELY
Fredy Jaofera
NOELY Noelim-pandresena ny noelintsika ety, noelim-pamonjena fa tonga i Kristy. Noelim-piderana ho antsika Mpino, noelim-panasana eto ka hamasino. Noelim-pifaliana manerana ny tany, noelim-pitahiana ambara sesilany ! Noely manazava ny ory tsy voaisa hahita lalandava ny tena paradisa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/mba-tsidio
MBA TSIDIO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
-Ho avy ny andro iray, raha mahatsiaro ianao Dia mba hanatero voninkazo iray, eo am-pasako eo Ataovy loko fotsy, fa io no hany tiako Dia ho tsapanao fa efa tapitra ela, ny ora niadiako Ny ora niaretako, fa efa sambatra aho, nandresy tamin'ny ady Reo ora fisentoana, tapitra sahady -Raha malahelo ianao ka te mba hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-kolontsaina
NY KOLONTSAINA
Fredy Jaofera
NY KOLONTSAINA Ny kolontsaina dia varavarana mora vohaina raha ivoarana. Ny kolontsaina dia soatoavina tsara hohajaina ka aza lavina ! Ny kolontsaina dia fahendrena tsy viraviraina no sady harena. Ny kolontsaina dia fanabeazana natao hozaraina hahombiazana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nallysoa-r.naval/ho-malalako
Ho malalako
Nallysoa R.Naval
Hoentiko aiza izato heriko Efa fantatrao ny feriko Nefa miandrandra anao Ny foko tia hatramin'izao Miandrandra ka manolotra Tsy dia ny eo an-tendro molotra Fa ny tenako rehetra, TIA ANAO tsy misy fetra Tia ka miandrandra Koa na varatra na avandra Aoka hianjera amin'izao Ny antenaiko dia ity! Miandry anao ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/veloma
VELOMA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Manjombona ny tavako, tomany anao ny masoko Ka zary sentosento ireo tononkalom-poko Sahirana ny saiko mibaiko ny fanahiko Hisaraka aminao ka veloma no apetrako Ety ampiafarana no hilazako anao Fa tsy nisy ny ady, na olana hatrizay Ka ho veloma mandram-pihaona anie izao Fa tsy sanatria ka ho mandrakizay. Feno be...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/heviny-hafa
Heviny hafa
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Manjombona atoandro ny fiainana lasa Mandrivotra mora, maneri-manify Mandena hanafoana ny zava-kinasa Mitsara-maneso ('lay) masoandro nidify Misento ny fo sady latsa-tomany Misento mora mikasa hisaona Fa andro manjombona indray andro ihany Dia ampy nanova ilay lohantaona Ny hany tsy tsapan'ilay fo nangaina Dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manimba-firenena
MANIMBA FIRENENA
Fredy Jaofera
MANIMBA FIRENENA Manimba firenena ny manavakavaka, safidy mampivena mankao an-davaka. Manimba firenena ny mangalagalatra, toetra mahonena tsy mba fitaratra. Manimba firenena ny manakolikoly, mahavery harena vao te hiala voly. Manimba firenena ny mamitapitaka niniana novolena fa dia te hibitaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-miala-sasatra
TSY MIALA SASATRA
Fredy Jaofera
TSY MIALA SASATRA Tsy miala sasatra ny aingampanahy, na rahoviana, fa manafatrafatra, mampahatsiahy 'reo fifaliana. Tsy miala sasatra 'reo soratsoratra, na ahoana, fa dia mandahatra sy mamokatra eto foana. Tsy miala sasatra ny vetsom-pitia, na dia kely, f'efa mamahatra sy mba mangia, ry anjely !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iray-monja
IRAY MONJA
Fredy Jaofera
IRAY MONJA Iray monja ny reny izay ananana ka mafonja ny fitia izay iadanana Iray monja ny reny tsy voasolo ka manonja ny foko manontolo. Iray monja ny reny tsy manary ka mifonja ny eto ho lavorary.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/hidy-folo
Hidy folo
Randja Zanamihoatra
Aza manana olon-tiana fa izaho ihany, Aza manana endrika voarakitra ho anao, Na avy amin'ny topimaso na ny vetsom-po mankany, Na ny embona asampotiny ao anaty miafina ao. Aza mitsiriritra, aza mijangajanga, aza manadino... Dray ! Tsia : Aza mivoaboaka, aza mijerijery, Aza saro-piaro, aza... ny eritreritra fihino,...