url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ry-tanora
RY TANORA
NY HERIMAR
RY TANORA Tanora aho, tanora ianao, Ny ataontsika anio ianteheran'ny ho avy; Tsy tara isika raha hiova anio izao, Ny rahampitso lava, ataovy zava-pady. Ilay teny malaza hoe ho avim-pirenena, Hijanona ho nofy raha tsy ampiana ezaka; Kanefa izay kamo tsy azonao terena Sao samy ho lao anivon-dalan-dezaka. Kanefa tsarovy ry namako tanora, Fa isika izao anie no akora tena ilaina; Ny fampandrosoana ekena fa tsy mora, Kanefa andao hijoro, hiasa tsy halaina. Ireo rendrarendra ho tratrantsika ihany, Andeha ary isika hitady izay hahasoa; Mandalo anie sakaiza ity fiainana an-tany, Ny fahavoazanao omaly tsy tokony hanindroa! Fès
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fisarahana
FISARAHANA
Fredy Jaofera
FISARAHANA Raha nisy taloha ny andro izay niarahahana kinanjo anefa anio tsy inoana ho fisarahana, tsy maninona tsy akory fa veloma, sombinaiko, mandehana raha handeha fa ny vita re zakaiko ! Ekeko fa mandalo ny teny rehetra rehetra narafitra ho doria, nataoko tsy hisy fetra ; tsarovy fa ny soratra apetrako ho anao ho porofo manambara ny vita sy lalao. Ekeko fa nasolo irony voady izay nekena najoro mandramaty hitombo fa tsy hihena kanefa ny fo, na ny saina izay mahatsiaro tsy hanary, sanatria, ka tsarovy na fantaro. Ekeko fa tsaroana ireny andro izay niravo, ireny taona feno sento efa hita ho nanjavo ; mandehana re ka aza mitodika ahy intsony fa vonton'alahelo izato fo tsy mba mitony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-nanan-dreny
RAHA NANAN-DRENY...
Fredy Jaofera
RAHA NANAN-DRENY... Raha nanan-dreny ny foko amam-panahy, tsy nohosihoseny, n'aiza n'aiza fa niahy ! Raha nanan-dreny ny alahelo nampahory, tsy hita novoleny ny latsa be nanorisory. Raha nanan-dreny ny ady mafy nahakivy, tsy mba nofefeny ny tarigetrako in-tsivy. Raha nanan-dreny ny fihafiana nanadala, tsy nahay nanjeny ny eritreritra tsy niala.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/tiako-raha-mba-tsapanao
Tiako raha mba tsapanao
JERY
Tiako rah mba tsapanao, Ilay FO ♥ midoboka ato anatiko. Manako sesy lany ka mila ts ho tanty Mikalo ilay fitia,Toa rano tsy ho ritra ka zary aina izay mamelona ny anatiko rehetra tiako rah mba tsapanao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/havaoziko-ilay-voady
HAVAOZIKO ILAY VOADY
NY HERIMAR
HAVAOZIKO ILAY VOADY Ifonako malala ireo vitako hatrizay, Ny nampirafesako anao tany an-kafa; Diso ankehitriny, mifona fa fay, Manenjika ny saiko 'reo nenina sy latsa. Noheveriko tokoa fa hahasolo anao Ilay tsara firafitra hitako omaly, Kanefa tsy ela dia iny nandao, Namela fery sy nampitondra jaly. Nodiako tsy hita ilay hatsaranao Tsy ananan'ny maro fa anao irery; Feno fandeferana, tsy be raorao, Izaho tsy anao, tsapako fa very. Eto anatrehan'ny tany aman-danitra no anavaozako indray izao voady izao: Ny fitiavako malala tsy maintsy haharitra, Hataoko sarobidy...tsy ho kilalao! Fès.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanginana
NY FANGINANA
Fredy Jaofera
NY FANGINANA Amintinana ny mitaiza raha mibitaka : ny fanginana no sakaiza tsy mamitaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/takarivariva-indray
TAKARIVARIVA INDRAY
Teboka Telo
Ritsodritsoka valiha sy kalokalo an-gitara, Karantsanina kabaosy sy kiririokana farara; Arahin-dihy gasigasy milantolanto an-takariva No handraikana indray ny loha, mamatonalina madiva! Dia samy revo, varimbarin'ny vazovazo feno angola; Samy roboka niangaly, samy rebika nidola! Toa volom-boron'entinketin-drivodrivotra mandalo; Zary ngolingoly anaty, mangorintsin'halohalo! Tsy tsaroana kely akory ny hitsakitsaky ny nara, Ny hirifirina hatsiaka sy setrasetrana fanala, ... Fa vao mainka dorodoron'hafanana tsy hay fiaviana! Tsy tandrintandry kely akory ny hodim-pamantaran'ora, F'akorisadrisany eny, hanakataka-petra mora F'efa hisasak'eny ny alina, hitsaharana, hodiana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-ray-amandreny
NY RAY AMANDRENY
NY HERIMAR
NY RAY AMANDRENY Tena hafa ihany Ny velon-dray sy reny Fa manana mpiteny Raha mbola eto an-tany. Mpamelona sy mpikolo, Niahy hatraiza hatraiza Nanabe sy nitaiza Tao anatin'ny tontolo. Fa tena hafa ihany ny eo anilan'izy ireo, Fa lavitra toreo, Ny alahelo sy tomany. Fa tena hafa tokoa Izany olona niteraka, Tsy mamela anao ho reraka Fa manarina rehefa voa. Koa hajao ary moa Ireo ray amandreny Raha mbola velona eny Fa tsy manam-paharoa. Fès
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/iny
INY
Mikalo nantenaina
Mbetika ny rahona manakona ny volana, Ka mandiso fiheverana an'ireo mila rotsirotsy, Kanefa,io volana io! Tsy mandalo na hoe miserana! Mitoetra fa tsy very, Manala tahotra ny fo izay farofirofy, Mbetika ny lasa... mihevitra ahy ho adala, Fa ny vanin'andron'ny ririnina e! tsy hilaozana fanala, Mbetika aho manaiky Mbetika aho mandà Ny molotrao homehy, Fa toa misarisary zoro Sy toa mibitsika mangina hoe"babonao ny foko" Kanefa,iny lahy! Iny,tsiky indray miserana Mivimbina hasambarana, Fa...lavitra fitserana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fananam-pahatsorana
NY FANANAM-PAHATSORANA
Fredy Jaofera
NY FANANAM-PAHATSORANA Ny fananam-pahatsorana, fananam-pahamboniana mendika foana hizorana raha te hahazo fitoniana. Ny fananam-pahatsorana no fananam-pahazavana, tsy mba mahalala orana fa maneho ny hatsarana. Ny fananam-pahatsorana no fananan-kasambarana mbola mety anamborana ny mamy vao fivoarana. Ny fananam-pahatsorana no fananam-pilaminana raha izao mbola tolorana fa loharam-panambinana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/na-tsy-natao
NA TSY NATAO
NY HERIMAR
Tsy natao ho manga Ny loko menamena, Fa mameno ny banga Tsy maintsy ekena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/mpivahiny
MPIVAHINY
Mikalo nantenaina
Tsy ny zokiolona! Na koa ireo be antitra... Dia lazaina hoe ;"hazo amoron-tevana" Fa na ianao tanora! Manana ny tanjaka,manana ny hery, Na ny zaza mena vava,izay mbola miankina tanteraka amin'ny fiarovan-dreny! Na ny mbola tsy hary,na ianao miriaria... Tsy misy afaka hamahatra ny tany, Fa mpivahiny isika,mandalo fotsiny ihany Na ireo manam-pahaizana mikasika ny aina aza! Tsy afaka hitoky,fa hijanona eto an-tany Ka ho'aho aminao! Mandalo isika no eto, Mivahiny fotsiny ihany! Fa ny tanora na ny antitra dia mbola samy hody vovoka, Fa tsy hay izay ho lasa aloha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ianao-mantsy
IANAO MANTSY
NY HERIMAR
IANAO MANTSY Malalako ianao, safidy tena tiako, Na inona hitranga, onjaonjan-ditra? Hanariko ho vao, tsy handeha hariako, Hotolorako hatrany fitia tsy mety ritra. Efa tia aho, hiaritra na mafy, Tsy avelako ho levona ilay nofinofinao; Ny fakampanahy, saritsarin-gafy, Tsy avelako hanjaka, roahiko handao. Ny masonao mitopy, ny fonao mitempo, Mamelona fanahy, isika miara-dia; Hadinoko ny lasa, toreo, sy 'reo sento Fa tazako eto mantsy, ilay FO tena fitia.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ho-azonao-ny-foko
TSY HO AZONAO NY FOKO
Fredy Jaofera
TSY HO AZONAO NY FOKO Tsy ho azonao ny foko nisento vao voafitaka, na be aza ireo toloko 'zay tsy mampibitaka. Tsy ho azonao ny foko nomenao fandaingana, na dia rehefa hanjoko hivetso tsy hay rarana. Tsy ho azonao ny foko nahazo fahambaniana, na mbola tsy ninoako sy mba nitomaniana. Tsy ho azonao ny foko novelezim-pandatsana, na fiainam-bokovoko no mbola mafampana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fotsim-bary
FOTSIM-BARY
Fredy Jaofera
FOTSIM-BARY Nahita fotsim-bary ka ravo sy sahirana 'ty olon-tsy manjary tsy tsara hifikirana. Nahita fotsim-bary ka manararao-paty ny azo an-karihary fa tsy soa poak'aty. Nahita fotsim-bary ka mangalatra avy, miseko tsy mirary antsika mianakavy. Nahita fotsim-bary ka voky sy matory ; azo alaina an-tsary fa tsy mahalala ory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aingam-pahatsiarovana
AINGAM-PAHATSIAROVANA…
RRAG
Embona sendra lasa raha niverina nitopy maso ireo tahirin-tsary navelan’ireo dia maromaro niarahako tamin’ny vady malalako! Tolotra fitia ho azy manokana ity… AINGAM-PAHATSIAROVANA… Embom-pahatsiarovana ny lasa nitamberina… Avy eny Andohalo, ka hatreny anaty Rova! Ilay vako-pahatsiarovana ny fanjakan’i Merina, no nisy sahy nandroba…! Tsiaro niampita fa saingy hoe tsy tody, ‘lay siokasioka an’antson’ny sahan’ny Tsimbazaza. Irony voromanga mikalo fa hoe hody, no tahirin-tsiahin’ny ‘lay andro fahazaza… Tetsy Analakely nisy nofinofy, tiana ho tanteraka, dia lasalasa vina, drafitra sy paika, tsaratsara petraka! Nitampify teny ny tsiaron-drotsirotsy, nanafosafo antsika. Ho tsiron’ny fitiavana, hanafoana ity hatsiaka! Teny Antsimalahy kay! Nisy tsiky, nifanankalozana, dia nametra-dia maro ho ivom-pahatsiarovana. Eny no mitoetra irony tafatafa sy irony bitsibitsika. Vao ‘njay mahatsiaro ireny dia toa mangoritsoka. Moa Andasibe koa ka manana tantara, izay ivom-pahatsiarovana ny finamanantsika. Tao no nahitàna ny soa sy ny tsara, fe ankehitriny iarahana mahita. Mialoham-pamaranana e! Handeha ho Antsirinala, ‘lay nisy akany izay, fonenanao akia malala a! Eny no mitopy ‘ty maso rehefa hody, Moramanga izao no kendrena mba ho tody! Faranako eto Anjiro ny diantsika anio, fa mbola ao ny betsaka! Ny irina aloha dia ho lavitra tadio, ka tsy hivalaketraka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/antsiranana
ANTSIRANANA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Antsiranana! etsy ianao ho entiko hitetiteti-tany etsy ianao ho entiko ho any Antsiranana any any misy fomba amam-panao misy kolontsaina hafa mihitsy tsy hoe akory vaovao fa kolontsaina efa nisy reharehan'ny tanàna ka tena mahatamàn’ ireo mpizahan-tany. Any Antsiranana any ny fanaon'ny sakalava mifety lalandava marevaka aoka izany ny fitafy lambahoany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/io-fitiavana-io
IO FITIAVANA IO
NY HERIMAR
IO FITIAVANA IO Io fitiavana io mahagagagaga ihany, Mampisy ny tsy àry, mamorona ny tsisy; Io fitiavana io tsy takatrao izany, Mandatsaka Tomany, mamelona tsiky. Io fitiavana io mila anao mikolo, Mila olon-droa tsy miantsara velatsihy, Io fitiavana io mety ho lasa mololo, Toy ny akanjo kontsa an-tavan'ny mpandihy. Io fitiavana io mety maty, mety velona, Miankina ihany aminao iantefany; Ny vatana sy taolana aza zary lavenona Moa va izay fasana ivelan'ny tany? Io fitiavana io mety tsy tamana Rehefa leo fitaka sy lainga tsara tototra; Io fitiavana io koa dia fankahalana Rehefa tojo fitia...ratsy fototra. Maroc 18:30"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ny-foko-no-nitia-fa-tsy-ny-azy
Ny foko no nitia fa tsy ny azy
Vetso mena
Ny foko no nitia fa tsy ny azy Ka izay lazaiko ataony vazivazy Satria tokoa hono, izany no izy Fa fitiavany ahy toa tsy ho hisy Ny foko no naniry ny hitia Nahatonga ny saiko te hiriaria Saingy indrisy nofy ihany izany Nofinofy nampisento tomany Fitia tsy mivaly ve tsy hiteraka alahelo ? Ka mampisy ranomaso sy sentosento ? Tsia hoy aho fa matoa tsy nivaly ny fitiavako Mbola tsy izy no ilay nantenaiko ho anjarako Ny foko no nitia fa tsy ny azy Ka hilaza ny foko aho handao azy Satria tsy ho ahy izy, tsy ilay tena izy Ny hafa izay mbola tsy fantatro no izy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indrisy-eh
INDRISY EH...!
RRAG
INDRISY EH...! Indrisy ianao ry tany saika aho hisento. Nefa aoka ihany raha mbola tsy mitepo, amiko ny fon’ ilay toka-notiaviko. Indrisy tsy any intsony ka indro indray holaviko. Ny fitiavako izay nekeny, tsy nisy izay fandavana. Fa saingy efa ela ireny, no niandrasako rahavana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roland-savio-rafanomezantsoa/anjara-malala-a...-tsy
ANJARA
roland savio rafanomezantsoa
malala a... Tsy mba endrika na bika Fà ilay fo mitepo Tao anatiko sy ianao No nampiray antsika ary koa tsy vola na fananana No nampifanojo ilay fijery Fa ilay fitia tsy hay sakanana Ilay safidy tsy an-tery Malala a..... Efa safidy ny ahy ny hitia Ka na inona handalo tsy hampiova sanatria Ilay dina izay nekena Na hahantra isika na hanana harena eny.... mety ho sarotra ny làlana hizorana atsy ho atsy Ho be ny mpanakora, ho be ny mpanaratsy Be ny mpanatsatso sy ny esoeson-teny Malala a.... Zezika sy orana handrobona ny fitiavantsika ireny mantsy anie ry tiako.... Tsy hay tohaina intsony ilay fitia miredareda Ka na hatsiaka mamanala na rivotra mifofo Volamena vita sedra Ilay fitiavako Ka na aza taona maro dia tsy hiova na hiofo R.savio
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faka-nihary-rantsana
FAKA NIHARY RANTSANA…!
RRAG
Indro amboaran-tononkalo iray valin-kafatra ho an’ilay tononkalo nosoratako ny 11 Jona 2018 izay nitondra ny lohateny hoe: “FOTOTRA FAHAROA…!” FAKA NIHARY RANTSANA…! Tazana sy hita ‘lay faka nipoirana, ‘zay nihary aina, ho sombiny sy ho zanany. Nitondra hazavana, sy taratra mangirana, sady koa nizara, ny tena hafanany. I Dada ilay nikiry sy niezaka nampita, nitantana ‘ty votsa, vao mba hiatrik’ady. Nibaby sy nitrotro, nanao ‘zay mety ho vita, ianao ‘lay alim-pody, niandrasany am-bavahady! Andry niankinana, tosika amin’ny fiainana! Isan’ny vahaolana, tsy hananam-piry! Mpamafa ny tomany, an-tsedram-panaintainana! Nanao ‘zay rehetra nety, ka nihafy sy nikiry! Imbetika i Dada, tsy tazana tan-trano! Nikaroka ny anio, ho an’ny sombin’ny ainy! Izy ihany koa, mba nisedra angano! Satria teny ho eny, mba nisy zava-tsy hainy! Nokirizany natao, notereny mba ho vita, niaretany ny mafy, nihafiany ny hatsiaka! Ny torimaso aza, zara raha nahita, mba hahasoa anao, sy hahasoa antsika! Faka nihary rantsana, i Dada ka tsy hadino, namana! Sakaiza! Fizara alahelo! Famenomeno banga ve? Nefa tsy mampino! Satria tokoa mantsy, mpihazon-tsiambaratelo. Hafa tokoa i Dada e! Tokana aman-tany, nibea sy nitaiza tamim-pitiavana! Ilay tsy mbola tazana, nandatsaka tomany, fa vao manganohano! Mivoaka varavarana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tsiky-atoratorany
NY TSIKY ATORATORANY…
RRAG
NY TSIKY ATORATORANY… Aza heverinao ho eny, ka mamaly ny fitia, izay natosatosakao, fa hoe haniry ny hiara-dia, ny tsikitsiky atorany iny, namaly ilay anao, izay tsiky nasetry, fitiavan-kilalao! Aza heverinao mihitsy, fa raha miresaka aminao, dia taratara sy efa potika ary koa babonao, itsy fahatsoram-pony, tsy te hiavona tsy akory, nefa ianao indray ity, no mitondra sorisory! Ny tsiky atoratorany iny, tsy mivaly akory ho “eny”. Aza heverinao izany, raha toa izy tsy miteny. Fakao aloha ny an-tsaina, diniho ‘zay mety am-pony, mba tsy hitsirian’ny ràtram-po, ka hitera-donilony!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/laguerre
LaGuerre
Avoss jah
La Guerre,e Life Io Laguerra Vao Mihetsika Mafy Anao Da Laguerre Na Olon_tsotra Na Rappeura E Guerre Tsy Maintsy Miseho Arakaraka E Zavamisy Na To Nao Na Tsy To Nao E Teo Da Tsy Maintsy Guerra E Misy Gne Fiainany Io Laguerra Fa Tsy Vitany Gne Werawera Na Anao Magnano Sambatra Io Ity Gne Tadidio Na Maro Gne Magneso Anao Fa Lavo Na De Iagniny Gne Piso Tsy Kivy Gne Voalavo Tsy Maintsy Mitraka Fa Olombelo Gne Miba Agnatine Say Ho Faty Sa Ho Velo Ka Kivy Ka Malahelo Raha Mbola Velo Fa Gne Fiainany Io La Guerre Raha Misy Gn'anjely Misy Signitry Gne Horreur E Tiako Jakay Amija Jasy Raha Misy E Magnatsara Misy E Magnaratsy Tsy Misy Fifaliana Maharitry Misy Fetra Misy Koa Gne Tapitry Fa Gne Fiainany Io La Guerre Misy E Mi Werawera Na Tsara Gn'aninao Na Ratsy Raha Maro E Mitovy Hevitra Raiky Amindreo Mana Teti_dratsy Tsy Ahita Fahasambarany Anao Raha Mbola Velo Mivadibadiky,misy E Mamono Misy E Mamelo Mila Vonogna Hatrany E Raha Mihatriky Fiainany Many e --->La Guerre
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-ndh/jaly
Jaly
Avoss Ndh
Jaly,jaly Tsy Maintsy Misy N'iza N'iza Miaina Tsy Maintsy Mijaly Fo,fanahy,vatana Raha Eo Amin'ny Fiainana Izay Matanjan_tsaina Ihany No Sambatra Gne Mitady Fahombiaza Mijaly Fa Tsy Mitovy Ame Mijara Karatra Mila Miketrika,mandigny Lanjin'ady Miady Aloa Vao Resy Fa Tsy MEty resy Tsy Miady Fadio Gne Miondriky,fa Mila Mitraka Mety Misy Anao Vignitry,na Koa Makotra Androany Mety Ho Meriky Gn'andro Ka Matatry Anao, Fa Io Mbola Masoandro Agnatine Fijalia Gn'ahita Gne Tsara E Zavatra Niaretanao Tame Jaly hitondra Anao Ame Fahasambara Misy E Jaly Na Amitiagny Na Amignany Zay Tany Alehanao Ahitanao Ts'elan'izany Raha Te Hifaly Anao Ambony Tany Raha Mbola Olombelo Te Ho Velo Alatsay E Dignitry Nao Ame Tany Tsy Agnary Anao Gn'atsemboanao Fa Amelo Kodiara Sarety Gne Fiainagny Tsisy Hifaly Mandrakariva Fa Tsy Maintsy Mitaraigny Da Mifofora Ame Fiainana Mba Ho Tafa Fa Ka Mandany Ame Mitsikolo Gne Fiainagny hafa Anao Mahita Anajy Mijaly Fa Anao Magnano Anao Sambatry Io E Tena Voa Mafy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/mahagaga
Mahagaga
Harintsoa Gasy Mpikalo
Mahagaga Mahagaga ahy tokoa Raha izato fiarahamonina Tsy nahitako zava-tsoa Raha tsy sorisory monomonona Tsy mba nifampitaiza Fa mifampiana-dratsy Tsisy lalana mankaiza Fa be fiteti-dratsy Na mpitondra fanjakana Na koa vahoaka entina Samy ambonin'ny lalàna Madio tsy misy pentina Dia mifanambany Manampa-pahefana Na ny olona ambany Na mpamorona lalàna Izay mahatsapa resy Avy hatrany miala maina Dia misintaka ny fetsy Izay mahantra no mangaina Dia tsy mba mifanampy Fa dia mifanambaka Kanefa samy gasy Izay no tena mahagaga
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ity-ny-teniko
Ity ny teniko
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ity ny teniko, mba raiso, Mandondona ny fonao. Hamafa ranomaso, Sy ny alahelo tavela ao! Ity ny teniko, fihino, Mifangaro rotsirotsy. Hitondra anao hanadino, Ireo mitsiahy tantara ratsy! Ity ny teniko, halalino; Hamantaranao an-tsaina, Ireo hevi-petsiny mifono. Izay tsy sahiko lazaina. Ity ny teniko mivoady, Mba hataonao tsianjery: N'inona n'inona ho ady, Izaho tsy hamela anao ho irery! Ity ny teniko, soraty! Ka ataovy tsara kolo; Fa ny fitiavako ato anaty, "Anao hono izy manontolo..."
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-felana-a
I FELANA A?
RRAG
I FELANA A? Miravaka halemena, fa dia manafin-toetra. Minday rotsirotsy, nefa injay, misetra! Miangola sy mitamby, indrisy fa maneso! Raha toa antokom-pihira dia, ilay mpanao beso! Toa hoe manafosafo, nefa toa mandrangotra. Mivolan-teny mamy, nefa koa mandrangitra! Makamaka fo, dia indro indray mandràtra. Nantenain-koavy, saingy tsiahin’ny lasa! I Felana a? Sakaiza sa fahavalo? Fa rehefa ianao misento, vao izy indray mikalo! Mandrotsy ny aty fo, mitondra tambitamby. Ianao ‘lay rendrika iny, izy no hany andry iankinana sy ianteherana, hanafaka ny zoga. I Felana a? Fahafahana sa fonja? Miketoketo-dava, kanefa toa mba tsotra. Manindry ny madinika, saingy tia manampy ny osa! Dia aiza ho aiza izany, no toeram-pamaritana? I Felana a? Toa angatry ny vintana, naman’itsy lahatra, mamaritra ny tendry. I Felana a? Toa tsy adala tsy hendry!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-lainga-2
NY LAINGA
Fredy Jaofera
NY LAINGA Ny lainga mamelana fa tsy mamoa, vao miainga, mielanelana isika roa !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hisava
TSY HISAVA…
RRAG
Ity tononkalo ity dia nosoratako teo anivon-tsento lalina tsy takatry ny eritreritra ho takarina raha iny aho nahare fa lavon’ny fiainana ilay raibenay rahalahin’ny dadabenay avy amin’ny reniko. Mandria am-piadanana Dadabe malalanay TSY HISAVA… “Tsy misy aloka tsy hisava, tsy hisy haizina tsy hazava. Tsisy bongo tsy hietry, tsy hisy hisaona ka hifety. Saingy mbola hiova loko, irony raho-mitsitoko! Mbola hody ho fifaliana, ny gogogogom-pahoriana! Tsy misy rahona tsy hisava, tsy hisy andro ka tsy hazava. Tsy hisy sento ka tsy ho foana, raha mbola hisy koa fotoana. Saingy mbola hody eo, ilay masoandro aninkeo, mbola hiverina hitaratra, handimby izato kotro-baratra!”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kalo-mamatonalina/ry-fireneko-ry-gasikarak
Ry fireneko Ry Gasikarak
Kalo mamatonalina
Ry fireneko Ry Gasikarak ô! Nahoana re ianao no voahozona indrindra raha samy firenena eto an-tany? Nahoana re ianao no tsy afaka mampilahatra izay fombanao maha malagasy izany? Nahoana no tsy mety mandroso fa mihemotra laharana hatrany hatrany? Nahoana no tsy ny vahoakanao no misitraka ireo harenanao izay ao ambanin'ny tany? Ry Malagasy ô! Fa maninona ianareo no manosi-boa tanana ireo fomba amam-panaon'ireo Ntaolo? Fa maninona no tsy soavina ny tanindrazan-tsika fa avela ho toy ireny tany haolo? Fa maninona no manao tsinotsinona ny teny malagasy izay tenin-drazantsika? Fa maninona ny an tena no nitsakitsahina dia nasolo an'ireo izay nanjanaka an-tsika? Nga adino sahady ny ran'ireo maritiora Malagasy, nitolona niady ho an'ny firenena? Izay nitolona sy niady ho an-tanindrazana mba ahazaona indray ny fahaleovantenam-pirenena Ireo maritiora nanolotra ny ainy mba hamerenana indray ny hasin'i Gasikara Dia mba ho Madagasikara mendrika sy vanona no holovain'ireo taranaka hafara Ry tanora aty hafara, aza atao ambanin-javatra ny fitenin-drazanao Ry tanora tsarovy, fa fomba malagasy no namolavola anao vao tonga olom-banona ho toy izao Ka rehefa tafita ve ianao dia manamavolavo fa hoe:" ny fomba malagasy dia efa fomba ambany" Kanefa tsarovy ry tanora fa ianao dia mbola misyvm Ra Malagasy mikorina hatrany Kalo mamantonalina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/inspirako
Inspirako
Avoss jah
Gne Inspirako E Miakatry Tsy Maintsy Tonga Lafatry Anao Malaigny Da Ho Valaky Fa Gn'aty Tsy Maintsy Tafakatry gne Lany Da Tsy Ho HIsy Fa Gne Ainam_panahikoApagnarako E Zava_misy Na De Toboboky E Malaigny Vao Maiky Mampiakatra Gne Feeling Rehefa Avy Gne Inspiration Mangala Taratasy Da Stylo Tsy Mijanigny Ijy Io Fa Miodigny Ako Dynamo Goo! Goo! Goo! Misy Gne Haha! Da Misy Gne Hôhô raha lany gne special da mividy schneidera gn'inspirako milatsaka isan'andro isan_dera na maro e micomment sy mimenimeny io tsy mihondagny eminem gn'ana tononkira kanto mitondra hafatra misy dikany fa tsy ako gn'anao tsy fatatry ijy ity tsy ako mizara karatry zay tsy ilainao da alefa agny fa vonona hijara gne soa izay gne tsara ho fatatry ampotitry gne tadigninao agny inspiraky mafy be sady fatan_danja tiany gne olom_be sady tiany gne jaja gne inspirako efa niakatra anao nijaka stop io nega gn'inspirako naturel fa tsy midepend ame jega e malaigny tsy maintsy misy satria efa resy izy da mitady sabotage animbany gn'izy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-tsisy-mba-nijery
ILAY TSISY MBA NIJERY...
RRAG
ILAY TSISY MBA NIJERY... Nakapoky ny feriny hianjera an-dava maimbo, ny fony nanantena hitsabo irony lasany. Ravina nihintsana fa maina hatramin’ny laingo, no tsiaro mba napetraky ny hifirin-dratrany. Fasana no akaniny hitoeran'ity nofony, mihintsana sy lo fa resin’ny adim-piainana. Mangidy dia mangidy ny langon-drotsirotsiny, miketoka hirifiry ombam-panaintainana. Nahantony ny tenany hamoy ny sedran-tany, ‘zay rofiny hatry ny ela natory tao an-tratrany. Tsy re intsony ny ainy, tsy re hoe nitomany, f’ilay tsisy mba nijery no nandevina ny lasany. Ilay tsisy mba nijery no lavonao tanteraka, nofinganim-bintana sy lahatra voafaritra. Ny fony no voaratra ka dia nivalaketraka, nisento am-panembonana ‘ty fery efa tsy ho aritra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotondranary-mampionona/ilay-loloko
ILAY LOLOKO
RAKOTONDRANARY Mampionona
Lolo, voary mahavariana Tsara tarehy sy mahasondriana. Mambabo ny fo raha jerena. Mahate ho tia, feno fahalemena Ny vonikazo no tena tiany Raozy mamelatra no faniriany. Na dia singan'iray ihany aza. Maharavo ny fony izay toa zaza Raha samborina izy dia mandao. Fa izy mila matoky anao. Miverina kosa izy rehefa tia. Ho eo atsandrinao ankavy. Malefak'ery ny fijery azy. Mivezivezy mamazivazy, Ny akajony izay maroloko. Voamaika koa mambabo ny foko. Faly ery aho raha nofinidiny Ka variana ny manodidina Tsy ampoizina ny hita eto an-tany. Amiko ilay Lolo no nahita mamy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-azonao-atao-dia
RAHA AZONAO ATAO DIA…
RRAG
RAHA AZONAO ATAO DIA… Aza fongarina akory, ny lasa sy ny etsetrany, ny mamy sy mangidy, ‘mbamin’irony setrany, manaikitra tsy miato, toa tsy misy fetrany. Aza avela hifoha, ny tsiaro sy tadidy, na ‘rony nankahalaina tanatin’ny safidy, na ‘retsy voatahiry fa mamy marikivy! Aza tairinao ny fo efa mitony, ‘lay leo ny nitia, tsy te ho voadona intsony, na ‘lay efa nanantena, ho halavirin-donilony. Ka nandrafi-paika, handevenana ‘reo ràtra, sy fery toa sakaiza ho efa mahazatra, nipetraka ho fitomboka, mariky ny lasa. Raha azonao atao dia vonoy ny amintsika, aleo raha azo atao, mba ho samy vita, satria tsy ary elatra, dia tsy afaka miampita. Far aha azo atao, dia etsy hamafao, kely na dia bitika, ‘ty ranomasonao, ho ataoko fahatsiarovana, izao ora izao. “Moramanga”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-ianao
IZA IANAO?
RRAG
IZA IANAO? Iza ianao raha tsy mahadiso? Fa tiako ho fantatra sy ho lala. Ny endrikao toy ny efa hitako, tsy vaon’ny masoko mijery. Ny anaranao mitamberina, toa efa maro mpahalala. Ny bikanao toa anjely, ny toetranao koa misitery. Saingy meva raha fijery, sariadriaka tava lava. Nefa moa ve ireny, dia ahafahana milaza, izay am-ponao, voatahirin’itsy ela? Aiza no porofo, fa ianao tsy tia dera? Iza aloha ianao, ilay miseho mahafantatra ahy? Fa na ny anaranao aza, manaitra ny atin’ny fanahy. Hikitika ny fo, hiantsampy an-tratranao! Iza aloha ianao? Eo re mba lazao. Ny mahagaga ahy anefa, izato ianao tsy mba miteny. Tsy mety mba milaza, izay tena anaranao. Fa ny hany mety ho fantatra, dia ‘reny re ireny. Saingy atahorako, tsy misy akory, fiantso anao! Iza izato ianao? Miezaka manambitamby. Misafo izato ranomasoko, latsaka tsy nahy. Dia nofonosinao, nasianao sangisangy, ilay tontolo androko, feno ahiahy. Iza ianao raha tsy mahadiso? Fa tiako ho fantatra sy ho lala. Ny hakantonao anio sy ampitso, dia efa mety hahalasa adala. Ka iza ianao? Sao handao ny sori-dalako. Iza ianao? Iza a? Eo valio, fa tena tsy lalako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-fanja-sa-i-njaka
I FANJA… SA I …NJAKA…?
RRAG
Ainga somary nanidintsidina teny an’habakabaky ny nofy. Tora-kevitra tsy ilàna ady hevitra akory. I Fanja… sy i …Njaka… tsy iza fa samy teny mandrafitra ny teny hoe: “Fanjakana” avokoa. I FANJA… SA I …NJAKA…? Fihibohana efa ho lava, fa tsy atao mahakivy. Na izany aza, aiza izay adidy, nefain’ikala Fanja…, hanorenana ‘reo trotraka, resin-dazon’ady, mifotetaka ka potraka? Fanaintanana isan’andro, tsy mety mba mitsahatra, zogain’adim-piainana, tomefin’ny oram-baratra. Fa aiza koa i …Njaka…, handefy izay mavesatra? Indrisy fa tsy tsapa, ka mahavalaketraka! Hadino ny madinika, ka zary bebe saina, mitady izay ho arapaka, ka tsy mitandro aina. Ry Fanja… ery variana, miatrika ‘lay ady, i …Njaka… tsy voafehy, dia ‘njao manapa-tady! Mibodo sy mandrava, mamoron-trosa maro! Dia izao karazan-tetika, no afangaroharo, anaty teti-bola, ahafaha-maka kely. Ny vahoaka moa sahirana, dia tsy afaka mijery! Fanja… a! Fehezo aloha i …Njaka…, ‘lay tsy voafehinao, ka dia manjakazaka! Manao izao sy ‘zao, hanosena anay madinika. Raha misy tsy efanao, tongava aty midinika! Tsy ratsy ny fihibohana, narafitrao ho didy, raha samy mahavita, ny andraikitra sy adidy, ireo mpifehy vahoaka, sy ireo vahoaka entina! Aiza no hisy hevitra, tsy ho ahitana pentina? Fa kosa ianao ry Fanja…, no miezaka mandravina, mandamina ny paika, sy dingana hodiavina. I …Njaka… no mifehy, ny lalana ho kinendry. Ka raha tontosa ireo, dia ny vahoaka ho hendry!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-tiavina
AZA TIAVINA…
RRAG
AZA TIAVINA… Voro-damba rovidrovitra, feno zaitra efa drodroka, no fitafy zary an-koditro, tinapa-tady no hany rojoko. Haofotsy miparitaka, volon-doha misavoritaka, araham-baoty tatatataka, sy fofona mampihatakataka! Adala aho! Nokapohin’ny fiainana, ka voadona ny fisainana, ‘lay hany afaka nandinika, na koa mba hoe nibitsibitsika! Aza tiavina aho! Tsy maninona, Ny lasko aza, ataonao inona? Ny foko koa ve moa afaka hitia, na dia fihatsarambelatsihy? Aza tiavina e! Tsy asiako tsiny, fa ahy aloha ny ady ankehitriny, dia zinakaiko ho ahy irery, na tsy hisy hanampy, fa samy hijery. “Moramanga”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/onja
ONJA…
RRAG
ONJA… Ory nefa manana, fo mahay miantra. Ny azy ny eny an-tanana, foiny ho an’ny hafa. Jamba fa mahiratra, mahita fo taraina. Ady manahirana, ny azy ny maraina. Onja fa milefitra, amin’ny fo ‘zay osa. Tena fo mandefitra, malefaka sy tsotra. Satry fa tsy irina, saingy tsy maintsy ho namana. Matetika ny tiana, dia isan’ny fananana. Onja saingy maivana, namam-po tomany. Tsy mandràtra aina intsony, fa ferin’ny omaly. Efa mainan-tsiky, nozairin’ny fitia. Onja mitampify, nama-mpiara-dia. Onja fa malefaka, toetra sy fanahy. Onja tsy mivesatra, tahiry sy ahiahy. Mizara alahelo, mihaino koa ny hafa. Saingy manam-petra, toy ny mahazatra. Mandalo toy ny hafa, miserana ihany. Naman’ny lasa, namafa ny tomany. Fa fototra ihany, fiavian’ny alahelo. Saingy toy ny tany, lalovam-bonim-bero.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ampinganay-ianao
AMPINGANAY IANAO…
RRAG
AMPINGANAY IANAO… Moa, firifiry tamin’ireny, sahy nitsara anao ireny, no nahefa ny adidiny, tamin’ny zanaka amam-badiny? Iza? Fa moa, iza tamin’ireo, tsy nitsahatra niteny, no sahy nisedra tsy nandao, izato tolona sy adiny? Saingy ianao izao no eo, dia enjehina, finganina! Esoesoina aman-teny, sady ataony hoe tsy vanona! Nefa firy tamin’ireo, no nihafy tsy nahinankinan-kanina, hahatonga ireto sombin’ny ainy, ho tena soa mba olom-banona? Dada a! Tsy nahakivy anao izany, fa vao mainka nampitroatra, ny hambom-po hanananao, mba hiezaka hanao mihoatra. Dia indreo fa mbola aorianao, ireo tsy sasatra manenjika, mikaroka hevitra vaovao, ahafahany manendrikendrika! Fa sarety ireny Dada a! Tsy hahadingana omby akory! Sady mbola zaza saina, ka ‘mbetika dia resi-tory! Ampinganay ianao k’izany, no hivavahanay ho anao! Aza miahotra amin’ny sedra e! Fa hotahian’ny Tompo ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fetra
FETRA…
RRAG
FETRA… Tsy maintsy hasiam-petra, ihany izay atao, fa tsy ny rehetra, dia avela hitsara anao. Ka avela hitanisa, ‘reo hadalana vita. Tsy maintsy misy farany, ny alahelon-tany. Tsy maintsy misy farany, ny fototry ny tomany. Tsy maintsy hisy fetra, ‘reo fo misetrasetra. Anio dia mety anjarany, ny hikapoka ny tena. Ny ampitso izay tsy lalany, dia mety ho fandresena, hanafaka ny zoga, hanohitra ny onja. Tsy maintsy hasiana fetra, ny ranomaso latsaka. Aleo tsy avela hisetra, ny lasa ka hahasolafaka, hamerina indray, ‘reo tsiaro nahamay. Tsy maintsy hasiana fetra, ny toky izay atao. Tsy azo avela hilefa, ny fitia anatinao, fa io no fanarenana, hanavao tantara. Hazo fiteherana, toy ilay anjara!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iry-vola-mibaliaka
IRY VOLA-MIBALIAKA…
RRAG
Somary handringa amin’ny fijerin’ny maro aho eto satria amiko dia ny teny hoe: Ianao sy indrỳ dia teny mitovy ka noho izany dia tsy hitako ny lanjan’ny fanasarahana ny teny an-drỳ izay tokony ho andrỳ amiko satria mitovy amin’ny anao ihany koa. Koa aza tsiny indrindra amin’izay mety ho tohina amin’ny fanoherako ny rakibolana. IRY VOLA-MIBALIAKA… Somambisamby akia, iry vola-mibaliaka, mamangy antsika indray, fa manina ny tafa! Any izao indrỳ mitsiaro ny amintsika, ka asa raha mihevitra, izany ho voafafa! Andrỳ akia ny foko a! Andrỳ tsy hanombinana ! Izaho koa aty toa, faly sy sahirana, mijery izato volana, ilay fanafarako: “Hafatra miampita, maneho ny tantarako”! Iry vola-mibaliaka e! Mba koa mitsiky amiko! Ka hany ny elanelana, no indro indray mandingana! Irony tsikinao ka! Teliko sy mamiko! Ka ny fitiavantsika ho’aho e! Tsy mba mety ringana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lalana-izay-nolalovana
LALANA IZAY NOLALOVANA…
RRAG
LALANA IZAY NOLALOVANA… Misento manipy jinery, mandatsa-tomany amin-tava. Toky efa vita tsianjery, no hanembonan’alahelo efa ho lava. Latsaka ny ranomaso, vontosam-pahoriana ny fo. Tomefy herisetra sy ankaso, nefa sendra fitia vao miandoha. Lalana izay nolalovana, no injay mitamberina indray. Mamerina fahatsiarovana, sedrain’ireo tsiaro namay. Dia nijanona ny ora noheverina fa hamafa ny lasa rehetra. Ka mbola iny no setra niverina, nandrotik’aina ka tsy nanam-petra. Dia ny lalana izay nolalovana, no fitomboka tsy nety voafafa. Ka ny fitia no zary fahatsiarovana, porofon’izany ireo ràtra. Misentosentoa re ry fo ô! Mitonia rehefa ary hery e! Ny mangidy aza mety hahasoa, ny hoavy aza anie misitery e! Ny lalana izay nolalovana, mety mbola handalovana ihany. Ka aza ny maika ho torovana, amin’izay tolon’ny tany…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-lalana-mankany
NY LALANA MANKANY…
RRAG
NY LALANA MANKANY… Tinazany itsy kintana, mitaratra tsy miato ny efitranonao. Dia nitsapa vintana ‘ty fony te hiantsampy ho eny an-tratranao. Fa tiany hono ianao, tokan’ny safidiny. Toa indro, nefa hatramin’izao, ny fony ilay mitia, tsy nasianao vidiny. Navelanao ho resin’ny tebiteby lalina, dia mandefa vina. Ka indro tsy tafandry andro aman’alina, mitsiaro anao ‘lay tiana! Ny lalana mankany hitany fa tsy hainy, ‘zay mety ho fihetsikao. Ka ny hany nihonkodina nibahana tan-tsainy, dia ny aoka izao! Fa aleony ilavitra mijanona ho namanao, dia mitia mangina, sy afaka mahita, mijery foana anao, ‘lay nofisiny ho olon-tiana. Toy izay voaràtra ny tenim-pandàvanao, ny hoe aleo mpinamana. Fa tsy ho tantiny mihitsy ny higoka ny talaho, ka handrava fihavanana! “Moramanga”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-tenindrazako-lalaiko
RY TENINDRAZAKO LALAIKO…
RRAG
Amin’izao iray volan’ny teny Malagasy izao dia fifaliana lehibe ho ahy ny manoratra sy manolotra ity amboara iray ity. Eo: “Raiso anatra ny tsara, ovao ho soa ny ratsy”. RY TENINDRAZAKO LALAIKO… Asa re ankehitriny, raha mbola hihaino ahy ianao, tamin’ny sotasota vitako, ny rafidrafi-tsoratrao. Nafangaroko litera, ‘zay nanjanahany ny saiko! Teny vahiny izao no am-bavako, fa ny ahy ity tsy haiko. Dia misosasosa ery, izato lelako miteny, hoe tsy handroso na oviana, ireny teny Gasy ireny! Saingy izao no tsy tsapako, fa raha mitady fandrosoana, dia ny an’ny tena no hajaina, ary koa kolokoloina. Ry tenindrazako lalaiko, ialako tsiny indrindra, ny avonavona nataoko, ka nandrava izay voarindra sy voarafitry ny tanan’ireo zoky nodimbiasiko! Tamin-tsy mba nanajako, anao ‘lay fototry ny hasiko! Ry tenindrazako lalaiko, raha toa ka azonao fafana, dia asio fanadiovana, irony lasam-pahajambana nandrotehako ny lanjan’ny satan-drafi-teninao. Raha misy diso izay ambarako, eo fafao dieny izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fetinny-fo
FETIN’NY FO…
RRAG
FETIN’NY FO… Mba hifety koa hono, ny fo ‘zay mitia, ka hiaraka hifety, ‘reo fo miara-dia, izay tsy maintsy, tsy maintsy mbola hisedra. Setrasetra maro, sy ady tena ‘ngeza! Mba hifety koa hono, ity fo satria, fotoanany izao, androny anio. Atao toy ny tsy misy ‘reo herin-tadio, nanarona ny aty fo, fo izay mitia! Io andro io, no andro hamborahana, ny fitia nitoetra, naroson’itsy lahatra, dia ‘lay lahatra, toa tsy manam-petra! Io andro io, no andro hanamafisana, ‘reo tokim-pitiavana, nisedra sampanana, ka nahavery dia, ny fifampitokisana. Io andro io, no mbola hanambarana, ‘lay fitia mitoetra, tsy azo zaraina, raha tsy amin’olona tokana. Io andro io, no andro hanehoana, fa mbola afa-mitraka, ‘lay fo ‘zay voadona. Voatsindrontsindro- mafy, ka dia saika resy, nefa soa ihany, fa mbola tsy nilefy. Hifety izao ny fo, raha mbola tsy ny saona, na ny ranomaso, raketin’ity taona, no zary tsiahy tadidy, aroson’itsy lasa, hiverina hitamberina, ka mbola hinia handràtra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anao-misento-anio
HO ANAO MISENTO ANIO…
RRAG
Any ho any koa nefa misy misento amin’ity andro anio ity satria vesaran’alahelo! HO ANAO MISENTO ANIO… Ho anao misento anio fa nahatsapa maizim-bolana, hoe lavo teny ho eny, ny Reny nianteherana! Ho anao ‘lay mitomany, fa tojo ady sy olana, irony tahirin-tsary, no ‘ndeha hiverenana! Dia vinanio etoana, ny tsiky izay nomeny, ny fitiavana natolony, ho anao ‘lay sombin’ny ainy. Hevero segaondra vitsy moa hoe, mbola eo i Neny! Mitady vahaolana, mamaky indray ‘ty sainy. Tsy irery ianao akory, fa eo ilay fitiavana, mitafy irony ezaka, entinao mitraka! I Neny ilay nianjera, efa tena miadana, anilan’ilay Tompo ‘zay mpanjaka! Ho anao misento anio fafao ny ranomaso, mitsikia kely, ho tolotra fitiavana! Ho lalana mazava, ilavitry ny ankaso, feno fifaliana, no hodiavinao rahavana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manan
MANANÀ…
RRAG
MANANÀ… Mananà ianao finoana, mananà faharetana! Mananà fitokisana, ny hoavin’ny maraina. Mahaiza mampitony, sy mandamin-tsaina, fa ianao ‘lay hoavy, mbola handrandraina. Tsarovy irony lasa, tsy naharesy anao. Banjino izato hoavy, ary koa fakao, fa ao no mitoetra, ny herim-pahendrena. Raha hainao mioty, dia ho herim-pandresena! Ka aza atao ambanin-javatra, ny fianarana ratovina! Aza atao tsinontsinona, ‘reo Ray sy Reny na dia tsy hanozona, fa omeo lanja ihany e! Eny, na sisasisa ambin-tany. Asio hasin-kanjany, na aza vovo-tany! Mananà ianao finoana, sahia ianao mitolona. Raha sendra ady mafy, aza mimonomonona, fa eo hatreo hatrany, raha mbola efanao. Reseo re izany, raha toa ka azo atao! Aza dia mitady tosika, raha tsy hoe tena tsy ho efa. Aza dia milanja molotra, na dia tena tezitra, banjino ny lalana, izay tsy maintsy hampilefitra. Henoy ihany ny hafa, amin’ny antsony miantefa, ‘zay miantso anao hitolona. Mananà ianao toky, aza dia manahy foana, fa tsy maintsy ho vitanao, na dia handanim-potoana, ireo tolona tsy maintsy, hosedrainao manokana. Na dia izany aza, aza tia mitokantokana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nolazainy
NOLAZAINY…
RRAG
Entina hampandinika ny tsirairay momba ny maha Malagasy antsika ity fa tsy hanasongadinana ny CVO akory! NOLAZAINY… Nolazainy sampy jiaby, irony finoan-drazantsika! Tsy maninona! Nolazainy ody koa, ny tapa-kazo sy ny sisa! Tsy maninona! Nolazainy azy koa ny tany lovan-drazanao! Kanefa haninona? Tsy hisy hihaino akory ireny ranomaso sy talaho! Fa tsy maninona! Narabiany ny efa vita, ka voarafi-tanantsika! Tsy maninona! Nolatsainy an-kafara, na ‘reo ainga mbola tsy hita! Nefa haninona? Indrisy nolotoiny hatrany anaty, ny fahasamihafana hanananao. Norobainy hatramin’ny faty, hatrany am-pasan-drazanao. Novetainy avokoa, irony toeram-padintsika! Ary ringa-manontolo, ny fombafomba tsy ho voatanisa! Nolazainy indray izao, fa ody koa ny ravin-kazo! Nefa ireny no halainy, ovainy kely enti-mitsabo! Dia ianao manjifa ireny, aman’aliny sy an’hetsiny. Sady faly ery miteny, sy midera izato fihetsiny! Sainokely aloha ny anao! Dingadingam-beroberoka! Nahatsabo “tension”, raha nosotroina sady evoka! Saingy nolazainy hatrany, fa fomba ratsy hono ireny! Ka tsy aleo manaja tena, dia mangina tsy miteny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misy-jery
MISY JERY…
RRAG
MISY JERY… Misy jery tsy voafetra, tsy voasakan’ny eritreritra. Minia mikiry ka misetra, sady mbola tsy milefitra! Misy jery tsy voatana, nodifian-tsiky tsy tamana. Ka zary injao mialokaloka, ‘ty talaho an’endri-maloka! Misy jery tsy hay fefena, nahatonga fo nihenahena! Saingy zary ranomaso, no nazeran’ito ankaso!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-hitako-aza-mahita-ahy
AZA HITAKO… AZA MAHITA AHY…
RRAG
AZA HITAKO… AZA MAHITA AHY… Ireny latsalatsa teny naraham-bava latsaka, no solika nandrehitra ny fankahalana taminy. Ny jojon-dranomasony niary vara-datsaka, no tafio-drivotra nandrodana ny akaniny. ‘Lay hany noheveriny ho afo ahafaha-mamindro, no orambe nivatra nandena ny tan-kodiny. Ary koa ny tiany ‘zay maminy no indro, nandrehitra tsy niantra ity mba hoe safidiny. Tiany ianao tsy lavina tena diso tiany, kanefa ianao malalany no ninday ‘ty tsiny, hanakanana ny fony tsy hitia intsony. Fa haniry tsy hovolena, ao ny lonilony. Aza hitako, aza mahita ahy fa izy hilavo lefona, hamoy fo mangina ka tsy te hitia intsony. Dia hikiry mafy sy hiezaka ny handevona, ‘lay hany pitik’afo nanazava ny aty fony. Aza hitako, aza mahita ahy hoe: “Tsy ho tantiny ny fiainana”, ka izy hamono indray ny eritreri-tsy hainy. Ka taoka sy rongony no injay hampitoniany ny fanaintainana, ‘zay zary toa tsiaro nihiboka ho tahirin-tsainy. Aza hitako, aza mahita ahy ‘lay izy hamoy fo, hanantona ny tenany an-tady mahazaka. Satria raha ny fiheverany azy dia ny aminareo roa mihitsy ilay fitiavana no toa tsy lalim-paka. Aza hitako, tena aza mahita ahy hoe ho tapitra ny ainy, ianao ve tsy hitomany na indray mitete? Kanefa fahavelony tsy nahay nihaino ny teniteny maminy, fa izy an-drangolahy ity vao hoe: “Indrisy tiako ihany e!” “Moramanga”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tsy-efanay-ry-tompo
NY TSY EFANAY RY TOMPO…
RRAG
NY TSY EFANAY RY TOMPO… Solafaky ny ady sy sedra izay mangidy, dia ‘njay indray mahatsiaro ny anaranao ‘lay tokana. Kanefa rehefa sambatsambatra, dia tsy nahay nifidy, fa teny an-dava-kaizina, no injao niantoraka! Lavo indray ry Tompo, vao toa mba nahatadidy, ny anaranao ‘lay masina, tsy pentim-pahotana. Hoe any izao ‘lay Ray, ‘zay tena sarobidy, afaka mamaha, ‘zay sarotra vahàna! Ankehitriny Tompo ô! Tena tonga saina, hoe ianao irery, no foto-pahavelomako. Hisaotra anao no ataoko, fa tsy hitaraina, fa sedra toy ny sedra, ihany izato olako! Ianao no avo indrindra, mahay ny tsy efan’ny hafa, tanana mihazona, ny tenako tsy hianjera. Ianao ry Tompo tiako, no hany tsy mba nihafahafa, ka atolotro ho anao, ny voninahitra sy dera! Ny tsy efanay ry Tompo, dia vitan-tananao! Ka mendrika ho deraina, ny anara-masinao! Ny helokay aza, mahagaga, toa voafafanao! Indreto ny fonay, ento! Hanaraka anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hitako-ny-ambara
TSY HITAKO NY AMBARA…
RRAG
Teo am-pandinihana ireo tahirin-tsary aho no natosiky ny fahatsiarovako hanoratra ity amboara iray ity. Amboara atolotro manokana ho an’ireo: “Reny” rehetra ka nahay nizara fitia tamin’ny sombin’ny ainy sy ny vady malalany. TSY HITAKO NY AMBARA… Reny i? Neny! Mama! Tsy hitako ny ambara, fa feno fifaliana ‘ty foko miarahaba, anao ‘lay tratra fety, amin’ny andro anio! Ho tojo hazavana e! Ho lavitra tadio! Neny a! Tam-bohoka aho dia efa, nahazo ilay fitia. Tohofanao ‘reo tsiky an-tsori-tavanao. Zaza aho notantanana, mba hiarakara-dia, Amin’izato lalana, ‘zay fandalovanao! Ankehitriny dia tadidy, ireny lasa ireny, K’izay ry Mama, no nahatonga ahy hiteny, hoe: “Tiako loatra ianao, mamiko tsy foiko”. Irony lasantsika, injay fa toa tsaroako! Reny! Neny! Mama! Tsy hitako ny ambara, fa ny hany ato am-bava, mahatonga lela hirada, dia ny tiako ianao! Tiako tsotra izao! Koa arahabaiko ianao, tratry izao fety izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mizarazara-tsiky
MIZARAZARA TSIKY!
RRAG
MIZARAZARA TSIKY! Maraina vao no atrehina, antenain-kanova ny haizina ho hazavana, sy hamafa ny alahelo. Ho zary tambitamby, ny setra izay nandroba, ‘lay endri-pifaliana, ‘zay ela tsy nihelo! Tinakon-draho-matevina, ny taratra fanilon’ ilay mpizarazara vetso, fampitoniam-pery. Ka indro Reny miavaka, no hery sady ilo, nitsabo ny ràtra, ‘lay tsisy mba mpijery! Reny tsy niambohoka, fa noterem-pitiavana hizarazara tsiky, ho an’ny fo ‘zay ory! Dia zaza resim-piainana, no indro nozanahana, ho isan-tsombin’ny aina, ka hizaka indray ny zony. Kamboty sy mahantra, tsy nanana ‘zay havana, fa dia nirenireny, nameno sisin-dalana! Izay tsy nanantena, hahita fahasambarana, hoe hanan-tokantrano, tomefim-pihavanana! Ka indro notolorany, fitiavana sy akany, itoerany sy iainany, ho tinarafin’ny masoandro! Reny hafakely, afaka niahy, namafa ny tomany, no tara-tsiky vaon’ity misandratr’andro! Reny tsy niteraka, saingy Reny miavaka amin’ny Reny maro, ka tokana aman-tany. Ilay nampitafy lamba, sy tsy nanavakavaka, fa zanany avokoa, ireo manam-po mijaly! Hafa loatra ianao, mahay mitia, mizara fitiavana toy izao, namaritra tantara! Tianay loatra ianao, ‘lay soritry ny anjara, ka mendrika dia mendrika, hantsoinay: “Malala”. Reninay malala, mizarazara tsiky, manolotra ny tsy hita, ‘zay tsy efa ho lanjaina. Nanaiky koa nandray, ‘ty zaza nitampify tan-dalam-pahaverezan’ny sedra sy taraina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-hoterena
RAHA HOTERENA…
RRAG
RAHA HOTERENA… Sanatria tsy hoe biby, ka tsy maintsy ho baikoina. Sanatria tsy hoe didy, zary ho lasa fanompoana, ny fitiavana mitoetra, ‘zay hitovizan’ny rehetra. Raha hoterena foana, aleo kosa angamba tsisy. Aleo ny fo hangina hisaona, mody hisaron-tsikitsiky. Raha hoterena ‘ty fitiavana, toa tsy hisy raha hanjary. Mainka handrava fihavanana, raha toa tsy tendrin-janahary. Aleo ny fo mba hisafidy, izay mety hanaja azy. Ka hahatontosa ireo adidy, hamato-maty irony tady. Raha hoterena foanafoana, dia hiala na hisintaka. Hangina hatory ka ho moana, tsy ho renao hitsipatsipaka. Raha hoterena foana, moa ve izy hisy dikany? Zary fandaniam-potoana, fa ny aina foana no ho voatsikany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-porofom-pitiavana
TSY POROFOM-PITIAVANA
Fredy Jaofera
TSY POROFOM-PITIAVANA Tsy porofom-pitiavana, na oviana na oviana ny vava nataony, fa mainka finiavana hanome fijaliana mba ho lalaony ! Tsy porofom-pitiavana toa maharesy lahatra ireo latsa sy fosa fa izay hahatongavana, na saika tsy takatra ho adalany kosa ! Tsy porofom-pitiavana nitondra fiadanana ny fanambaniany, ka tsy nampihavana na nananganana an'ireo fitokiany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/alina
Alina
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Alina iray mangiana sady tony Alin'ny ririnina manerika manify Ali-maizim-pito tsy nahitako intsony 'Lay fanantenan'ny alina. Lasa sy nidify Alim-pahanginana mibaiko koa ny tavako Hanjombona tanteraka, handrotsaka tomany Ali-nilazana fa lasa ilay fitiavako Tsy ho eto intsony fa lasa handao ny tany Alim-pahoriana maniraka ahy hisaona Alina mangidy tsy nahitako tory Ali-nisarahana iray fa foana foana Io ilay alina io tsy tratranao akory
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fotako
FOTAKO…
RRAG
FOTAKO… Fotako io fa avelao, maloto eo ny akanjonao. Mba avelao fa fotako io, ny akanjonao toa mba madio. Io no foto-pivelomako, zary ady hitolomako, mbola faka nipoirako, ary ho lavaka hisitrihako. Io no asa fivelomako, hitadiavako ny ampitso, ka tsy maintsy hilofosako, na dia maimbo sy masiso. Fotaka ho zary bainga, hialofako raha lena. Tsy mba vitan-daingalainga, na rafitra fitiavan-tena. Fa rafi-po mahay mihetry, manaja hatrany ny hafa. Tsy mba vitam-petsifetsy, raha ny tolon’ny kinasa. Fotako io fa aza ariana, io no solonao ry tiana. Satria ianao tsy tia akory, dia amim-potako aho no hitory, sy haneho ankalalahana, ilay akanim-pahasambarana, iarahanay mitolona, tsy mba misy monomonona. Fotako io ry ‘lay tsy tia, io no hany mba nanaja, na dia tsy niloa-bava, ny dina fa hiara-dia! Fotako io fa avelao, sao lahy hanenenanao, fa tsy tantin’ity aiko, tsy zaka koa-n’izato saiko, ny latsalatsanao aminy, nefa ianao avy amin’ny taniny. Fotaka manaja tena, tsy mba tia mideradera, tsy mba manosihosy ny hafa. Fotako io, eny hatramin’ny lasa! Fotako io ry mpanadino, ‘lay nahafahako mba nino, ta tsy ho ela dia ho vita, na dia nodianao tsy hita, ireo tolom-piainantsika, ‘Zay efa vary mangatsiaka. Fotako io ka avelao, Maloton’io ny akanjonao. Fotako io fa aoka re, aoka izay ‘ty rehareha, entinao manosihosy, ny fahafahako hatrizay. Nahatonga ahy hahandro fotsy, sy nihafy indraindray.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranir-tsioharana/fandresena
Fandresena
Ranir-tsioharana
Fisainana madio Ny tsikiko anio Fandresena no amafisiko Tsy ho neniko ny latsa HAmalonako ny lasa Hibanjinako ny ampitsoko MAHERY AHO Fikirizana tsy very Ny ho avy misitery Fanantenana mangarahara Hisatrohana ny adidy Tsy hilofika na ho kivy Hikarohana ny tsara MAHERY AHO Hery ho ahy tanjoko Tsy hilofika ny ho aviko Fandresena no andrandraina Fady ho ahy ny mitaraina Fahamarinana no tarigetra Fandresena tsisy fetra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/endrika
Endrika
Dox
Izato singam-bolo mandadina, olioly ! Tarehy voakolokolo toy ny tanimboly… Ny molotra homehy, ny nify toy ny voahangy mamelana, endrey ! Sariaka sa misangy ? Hay tsy vosobosotra ? Mahery noho ny ankosotra tokoa ny singam-bolo… Na dia izay aza, tsy menatra aho milaza : Vintan’ny hanimbolo !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/banga
BANGA…
RRAG
BANGA… Izato ianao no injao maneso mandatsalatsa fo misento, varivariana ny mivetso, ireo tononkiram-pahatsiarovany? Banga mantsy ny efiny, ka ny hiranao no tefiny, rehefa tsy eo ianao! Nahoana ianao no dia nitsapa, nanery azy hitondra ràtra, nefa fantatrao ihany, fa tsy ho zinakany izany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-azy
NY AZY
Fredy Jaofera
NY AZY Hevi-petsy ny azy,leitsy, ny mangeja itony eja tsy anjarany ka ny farany ito foko be toloko ; ito saina savolaina fa tsy ireny no hoe : reny hampisava lalandava ny ady mafy nampihafy ; 'tony ratra nahazatra ; 'tony fosa nahosa ; 'reo tomany tsy hita lany... Reny hafa vao mitafa tsy mamely, na dia kely, no tiako sy iriko hampandry, na hiandry taona maro vao mahatsiaro ….
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-lasa
EFA LASA…
RRAG
EFA LASA… Anio misento sisa no azoko atao, fa tsy afa-miantso anao. Efa lasa mantsy, lasana nandao, namonjy ilay tontolo, tontolo vaovao. ‘zay nandehananao, namonjy ilay sampanana, tsy maintsy holalovanao, ka nampisaona ny foko. Saingy indrisy mantsy, fa lasa ianao ry ilay tsy foiko. Efa lasa, tsy ho hitako intsony. Efa lasa, ka tsy hisy afaka hampitony. ‘Ty ràtrako mihiboka, an’efitrin’ny fo misento. ‘Ty fery manadrodroka, ny fitepon’ny foko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-fakanny-fo
RY FAKAN’NY FO…
RRAG
RY FAKAN’NY FO… Tiako ianao, ka ho averimberiko! Tiako ianao, ka tsy mba ho afeniko. Tsy maintsy ambarako, amin-teniko, mba tsy ho ampitso, vao ho neniko. Fa tiako ianao, eny tiako tsotra izao. Ry fakan’ny foko: “Ho anao ‘ty toloko, mandrakotra ny tenako”. Fihino mafy, izaho sy ny henatro, mba hahasahiako hitia, hitia anao doria! Tiako ianao, fa tsy holaviko. Ianao no hany, hany hoaviko, hantenaiko hatramin’izao. Tiako ianao! Diso tiako ianao! Ny banganao fenoiko! ‘Zay lavako totofanao. Ry fakan’ny foko, tia ahy koa ianao o?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/sakodiavatra
SAKODIAVATRA
RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Tsy hanao fitarainana Fa mba sanganehana Mandinika ny fiainana Anatin'ny fahamehana. Fa mba mahalasa saina ireo vola sy ireo entana; Voalaza fa hampiasaina hiadiana izato aretina. Ny haino aman-jery mizara tarehimarika; Mitaona sy manery handray izay toromarika: Kanefa lamba kely, maloto, ratsy zaitra No ezahana ahely hoe fiaro tsara handaitra. Voasazy hatrany am-ponja, izany no malaza... Raha manadino monja ilay sarom-bava. Mamely ny hanoanana, betsaka no kivy Fa tsisy ny eo an-tanana: mba mafy sy mangidy! Tsy omby ny hopitaly Tsy ampy hoe ny fitaovana? Mitombo ny marary, mihamaro ny fandaozana. Dia misy maty atsy, Misy maty aroa Be no lany vatsy, be no tena voa... Ny hany azoko lazaina: mitandrema ihany Fa tokana ny aina, an'ady izao ny tany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/mololo
MOLOLO
RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
MOLOLO Tantara iray avy ao ambanivolo No indro atolotro anao androany; Izarazarako ny resa-"mololo" Amin'ny endriny maro izay misy eto an-tany. Misy tanàna malaza iray izay, Fa mahay mpitondra sy lali-bahoaka; Fa rehefa zohiana dia mampikaikay, Hay tsy tena basy fa tsipoapoaka. Fa mba iza tokoa ireo vahoaka mololo? Indray miredaka dia mora maty; Mora fetsena, mitoky bontolo: Amin'ny vaovao rehetra na avy etsy na avy atsy. Fa inoana avokoa 'reo 'zay hita sy re, Izay zava-miseho sy malaza rehetra, Na ady an-trano na an-dalam-be Dia lazaina ho mitombina tsy misy fetra. Mora arehitr'ireo mpanambaka, Mora ambakain-dry zareo mody miady; Mora ampiadin'ireo tompon'ny laka, Tsy mba misaina na manadihady. Dia mikohaka koa 'reo mionda-mololo, Satria zaza tamàna niondana sandry; Tsy nahay nanava-balala sy lolo, Mora voajono fa valala mandry. Dia mbola mololo ny fitadidiana, Androany mirehitra miredareda; Fa rahampitso tsy hahatsiaro ireo fahoriana Izay nampitondrain-dry zareo be tenda. Ny mpitondra taitaitra, manao toratorana, Fa tia mody miady, manao sarimihetsika; Ny vahoaka mololo ka dia mora dorana, Tsy mahalala, bado, ka voatetitetika. 'Reo lazaina ho mpanohitra koa dia mololo, Tsy hita be ihany, tsy hay hoe ahoana! Nantenain-ko hendry koa ireo fotsy volo, Hay toa mitady seza na mandroso taona! Hoy i zoky Lefona raha nanazava: "Mifanatsikera, mifanandram-peo" Mifanakiana sy miady lava, Fa "soloina ny eo: ny eo ihany no eo". Ny hiran'ny Rebika no amaranana azy: "Tsy olo-kitondra, tsy vahoaka entina" Manao ny fiainana ho vazivazy, Ka "samy domelina anaty tonelina". 'Zay milaza abobo dia raibe-mololo! 'Zay mino azy no reni-mololo! 'Zay manaonao foana no zana-mololo! 'Zay manohy izany no zafi-mololo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kinanjo-ianao
KINANJO IANAO…
RRAG
Fahatsiarovana manokana ireo miaramila Malagasy izay namoy ny ainy tan’ady tany ivelan’i Madagasikara. KINANJO IANAO… Nifanao fotoana isika, kinanjo ianao tsy tazana, hamonjy izany! Ianao toa tsy hita, fa hoe: “Nandeha niatrika ady mazana”. Nalefa nita rano, hitolona! Ho an’ny firenena. Kinanjo ianao nahita angano, nafoy hatramin’izato tena. Ranomaso no nandraisana, ‘lay vata-mangatsiakanao. Izay niandrasan’ilay fasana, eny, hatramin’izao! Indrisy razan-drotirotika, potipotiky ny bala. Efa tena potipotika, efa tady tsy ho lala. no niverina namonjy, ‘lay akanin’ny fitiavako. Ka ny fahafatesanao, no nandavaka ity lavako, ‘zay tsy hotototro intsony! Nifanao fotoana isika, ianao kinanjo toa tsy tonga. Ay! Ianao namita iraka, tany an-dafin’ny riaka. Indro vata-mangatsiaka, rotiky ny bala, nozeràna baomba! Indrisy e! Mantsy faty sisa, no natao hifankahita!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozy-mainty
RAOZY MAINTY…
RRAG
RAOZY MAINTY… Iray faka tamin’ny voa, iray fototra amin’ny fo, iray tany faniriana, iray sento sy hafaliana! Ny hafa nefa meva ihany, fa ny azy loko hafa kely, na dia iray vovo-tany, izy meva fa tsy anjely! Eo an-jaridaina eo, toa misy voa hafa filoko. Hitako vao taninkeo, mainty ny azy ny loko. Tsy hoe tody anefa izany, na koa ozona nazera, fa tena lahatry ny tany, ilay loko tsy mba mena! Raozy mainty toa miendrika, endri-jazavavy iray. Mitaraina fa toa rendrika, voadoro ny afobe mamay. Izay afo toa narehiny, tan-tontolon’hadalana. Nefa indrisy tsy voafehiny, ka nihitatra mazàna. Nihitatra namoy ny felany, nandrotika ny vony mangany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/aza-kivy
AZA KIVY
RA Freddy Jn
Na maloka aza ny andro anio Dia aza kivy na ketraka am-po Fa ny Tomponao no tadidio Dia ho foana ny alahelo sy aretin'andoha Raha resy ianao androany Na koa hakorain'ny fahavalo Dia tsarovy fa indray andro any Mbola hisy ny hampikalokalo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/vonjy
Vonjy
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Mirana ny tavako, mifaly anao ny masoko Mitsiky anao ny/molotro, ravo anao ny foko Mandray anao ny saiko, mikalo ny fanahiko Ka miarahaba anao fa tojo anao ny tenako Ety am-piandohana no hirariako mamy Ny fiarahan-tsika ho lavi-pahoriana Ka n'inona hiseho, hanjaka hatrany hatrany Ampoko sy am-ponao ny atao hoe fifaliana Faly aho tojo anao fa ''rano hatapo-bary'' Ianao mitady Vonjy: VONJY tojo anao Hifanampy isika, hiray ho toy ny rary Velona ho iray, maty tsy hifandao IZAHO ilay VONJY: Avotra ho anao VONJY: Hamalifaly anao anaty fahoriana Hankahery anao reraky ny tolona Hanampy anao hiady hitady fandresena Hanabe anao mba ho olom-banona VONJY: Hampahalala anao ny misy fa nafenina Hanazava anao ny ambadiky ny maizina Hitondra vonjy ho anao misedra fijaliana Ary haneho anao, ny ankoatra tsy hay takarina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-fasako-mangina
RY FASAKO MANGINA…
RRAG
RY FASAKO MANGINA… Aza mbola manantena, ny hahita ahy akory. Fa mety mbola ho elaela, hoy ‘ty foko mbola tony, vao hihaona angamba isika, raha to any lalana ho tafita! Aza miandry ahy, na manisa ny andro sisako. Aza dia velona ahiahy, fa hamangy ihany aho raha sitrako. Ry fasako mangina, aza misento ho ahy akory. Fa mety tsy ho ela, izaho sy ianao ho tafavory! Ka hiara-hamaky sedra vao, tsy hiorenam-pahantrana, ary tsy takatry ny talaho, ilay niboko fahadalana. Ry fasako, aza manameloka ahy, raha toa ny saiko, ka tsy sahy, ny hiara-hitoetra eo aminao, eo henoy, henoy re aho. Tsy foiko loatra mantsy izy, ràtrako ny ranomasony. Fa raha kosa hoe voadidy, eo dikao mba tsy ho ankasony. Ry fasako, akany faharoako, mba mandefera! Raha mbola azonao atao! Ry akany fialofako! Toa tsy maintsy hodikaiko, izay tendrin-dahatrao. Aleo anefa, raha sitrakao, hosoritiko ny lahatra. Mba tsy hisy izay talaho, ho ranomaso tsy hitsahatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanahy-fa-tsy-ny-vola-2
NY FANAHY FA TSY NY VOLA
Fredy Jaofera
NY FANAHY FA TSY NY VOLA Ny fanahy fa tsy ny vola no mahafinaritra ahy mankany raha mihira sy hoe mbola mitady anao hahafaly hatrany. Ny fanahy fa tsy ny vola no mahatamana marimarina raha mitombo fa tsy tola ny fitia tsy hay amboarina ! Ny fanahy fa tsy ny vola no mampazoto hiray tigetra rehefa misy 'zay angola mahay manova irony tsetra. Ny fanahy fa tsy ny vola no mampitoetra  izato foko rehefa mahazo doladola, sy hamamiana izay misoko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/taratasy-ho-anny-manina
TARATASY HO AN’NY MANINA…
RRAG
TARATASY HO AN’NY MANINA… Ry Malagasy ilavitra any, ity no hany sora-tanako, taratasy ho an’ny manina, ho anareo namako. Ka raha mahatsiaro ianao, dia tsarovy i Gasikara, ilay tany nipoirana, tanindrazana malala. Aza hadino fa ny tolona, nilofosan’olomanga, tanaty ady mafy maro, eny hatreny Moramanga, dia ho anao ihany, ilay taranaka mpandimby, efa voafidy, ka aza miala adidy. Ry Malagasy ilavitra any, raha toa ianao ka mitomany, misento ho an’ny tany aty, dia mba tsarovy ity: “Fa ny fanoloranao fitia, dia tsy ho very sanatria, fa hitoetra hatrany, ho an’ny tany mamy”. Ka indro sora-drà mitoetra, ataoko dika maromaro. Ranomenan-drà nandriaka, zary nifangaroharo, no entiko manoratra, ‘lay taratasy ho an’ny manina. Aza milavo lefona, tandremo koa sao fanina! Ry Malagasy iray aina, iray volon-kodi-mainty, tsy hanavaham-poko avy, dia asiako hoe tsy maintsy. Mba ahafahana miroso, miady ho an’ny tanindrazana. Izay lova hany sisa, mba navelan’ireo razana! Ry Malagasy be fitiavana, hampanjakao ny fihavanana. Aleo izy hitoetra, na mahantra io na manana. Fa io ihany no mba tohatra, hahafahantsika miakatra. Miara-mianika ny avo, eny hatramin’ny eny Ankaratra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miangatra-ity-lanitra
MIANGATRA ITY LANITRA.
RRAG
Tononkalo nisintoniko manokana tamin’ilay ainga nosoratako nampitondraiko ny lohateny hoe: “MIANGATRA NY LANITRA” izay nosoratako anio ihany. MIANGATRA ITY LANITRA. Indrisy fa miangatra ity lanitra, fa ny aty sahirana tsy manana ho hatelina. Totofan’ola-maro satria ve mahantra, tsy mahita akory izay hanin-kahavelona? Eh! Miangatra ity lanitra, fa any izao ny mpanana tsy mahalala tsy ampy. Kanefa, isika ilay mahantra, mikaroka, efa hila ho faty! Noho ny hasasarana, lova tamin’ny lasa. no mbola lava-dantsana, sakan’ny kinasa! Tena miangatra ity lanitra, fa irony mainty volon-koditra, manohi-panavahana, fa tsisy mahatsikaritra, satria tokoa ve mainty, dia lazain-tsy havana? Indrisy fa miangatra ity lanitra, satria ireo kamboty, resim-pahoriana, dia tsy navela akory, hiaina irony hanitra, fofom-pahafahana, sy hikam-pifaliana. “Kôlejim-panjakana Moramanga”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/hoento-hanaraka-anao-aho-
HOENTO HANARAKA ANAO AHO ...
RMA
Io no antsoantso reko farany,mialohan'ny handaozako ity tany! Ny fianankaviako mifokofoko,tohana ny fo ary ny niafarany teraka ny tomany! Toa tsiaro avokoa ireo fanao mahazatra niarahana tamiko, Misy ary moa no nahavatra nitana ny akanjoko... Toy izany tokoa ve ny fiainana eto an-tany? Toa mandalo sy miserana tsy mba maharitra izany , Vetivety foana dia dify ilay masoandro tery atsinanana, Toa nalaky lefy lay hafanana nantenaina ho namana ... Ilay olo-tiako tsy azo nampiononina fa nigogogogo nanala ny fony! Androany mantsy ny fotoana farany mba hitoerany eo anilan'ny tiany! Nifandimby teo ny fanomezan-tsiny ny vintana ,ny anjara ary ny lahatra, Saingy nony farany nanaiky ihany satria izay no tendri'Andriamanitra! Ny hany hery ,ho fampiononana ny saina, Dia nanao fangatahana niharo taraina , Ao anaty feo kasoka mila tsy ho re akory HOENTO MANARAKA ANAO AHO FA ORY DIA ORY!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/izay-ihany-ny-ahy
Izay ihany ny ahy
Harintsoa Gasy Mpikalo
Maika ery hanitsy vao teny frantsay Rehefa mifangaro ny la sy ny le Rehefa teny gasy ataony alasafay Ianao ilay mba miteny no lazainy mampiomehy Dedaka io hanonona raha vao teny Amerikanina Fa ny teny gasy no atao anjorom-bala Midera tena ery fa mahay teny Alimanina Dia injay misehoseho ho mahay sy mahalala F'io anagaha mihevitra fa hiofo ho vazaha? Na rehefa kelikely dia hivadika ho anjely? rehefa voapita ny hevitra dia izay ihany ny ahy Tsy izay rehetra basivava no ampiana-bakiteny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-tsy-mahazaka
MISY TSY MAHAZAKA
Fredy Jaofera
MISY TSY MAHAZAKA Misy tsy mahazaka mahita anao mifaly ka te handefa daka rehefa avy hamaly. Misy tsy mahazaka mahita anao mihira ka tsy mahay maka ny fo voaviravira. Misy tsy mahazaka mahita anao mitory ka indro re fa vaka sy manan-tsorisory. Misy tsy mahazaka mahita anao mijoro ka tia mamakafaka fa miaina horohoro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/iny-alina-iny
Iny alina iny
Vetso mena
Iny alina iny, teo am-baravarakely teo Taitra izato saina nahare izany feo Toa olona mitomany no tokana mba re Sady tovovavy iray izay toa efa fandre Niezaka nitazana, avy aiza izany feo Nefa toa tsy reko tampotampoka teo Lasalasa ny saina fa inona no mitranga Ka dia nivoaka naka saina teo an-davarangana Iny alina iny, toa nisy tempo, fo iray Namentsoventso tao anatin'ny Fanahy Tsy hay hoe avy aiza, na inona no antony Fa nilaza foana izy hoe: "aoka ho tony" Iny alina iny mantsy, namafa ireo alahelo Ka ny afon'ny fitia no tonga namerovero Iny alina iny no nentiko nanoratana indray Ireo singan'ny fitia anaty aingam-panahy. Iny alina iny, namafanao ireo alahelo Iny alina iny, no namentsoventso ilay feo Iny alina iny, rakofan'ny fanantenana vaovao Iny alina iny, fanantenana ilay maraina vao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/anjara
ANJARA
RA Freddy Jn
Anarana iray tena tsy foiko Niorim-paka tato am-poko Jiro nitsilo ny Fanahiko Alaiko ho silam-panahiko Raha misy mikasa handrava Ampy ho ahy ny fiainana ho lava
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/ra-vorona
Ra vorona
Harintsoa Gasy Mpikalo
Aody re ra vorona salama ve ianao? Tonga mba hamangy aho re raha toa ka sitrakao? Sady avy koa mba hampita hafatra e! Tsy laniko tsianjery fa izaho tsy tonga lafatra Nanafatra ahy ny Ntaolo Hoe, hoesorina daholo ireo tanàna haolo Fa be ny gasy tsisy Trano Miaina lava anaty rano Be ny mangatsiaka Tsy mba manan-ko ho tafiana Tsy mba misy aro riaka Fa dia miaritra fihafiana Ka dia mila famonjena Fanampiana sesehena Fananganana ihany koa Ireo trano maro loha Faingàna re ry vorona Fa aza mihanahana Ampandreneso re ny olona Sy ny mpitondra fanjakana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/alinny-ditra
Alin'ny ditra
Harintsoa Gasy Mpikalo
Minia mikipy mody tsy mahalala akory An'ity foko misento amin'ny andro maha-ory? Miventso misioka ao anatin'ny alina Fitia misy tery toa saro-patarina Jamba ary ve? Tsy mahita sa tsy mandre? Sa? solafaky ny tany malaman'ny ditra? Dia ilay olo-malala no hodiana tsy hita? Sento tokana ao anatin'ny alina Fitia misy tery ka tsy marimarina Miventso mangina misento mitsitra Fa dia miandry ny rariny, amin'ny alin'ny ditra 'Zaho ity latsapaka sy miandry ny marina Ianao variana mirevy mifoka amin'ny alina Izaho tsy mahita tory fa manongo tena Hay ianao makorelina mpivaro-tena Mananatra aho tsy henoina akory Isan'andro amin'ny alina tsy mahita tory Mangina aho sisa ka mipitrapitra Fa tsy ho afaka aminao izany ny alin'ny ditra Alin'ny Ditra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/tily-aho
TILY AHO
RA Freddy Jn
Tily aho, tily malagasy ka handeha hanasoa ireo namako rehetra indrindra fa amintsika Malagasy izay fiaraha-monina mbola tiako hitoetra Tily aho ka sarotra ho ahy no hamela ireo zandriko hangahiahy indrindra fa ity tanindrazako ity izay mbola hitoerako rahatrizay Tily aho ka tsy handà ireo andraikitro ny amin'ny asa fanompoana an'Andriamanitra ny hoan'ny tanindrazako ihany koa dia hosainiko dia ireo namana sy ny ambanin'ny lanitra Tily aho ka hiaro ny tontolo manodidina f'izany dia anisan'ny lalàna izay nekeko na biby mandady na manidina dia samy hotandrovako na tsy an'ny fireneko Tily aho ka ho andrin'ny fianakaviana mba hianteherana anio, rahatrizay sy hanompo an'ilay Jesoa tena tiana ary ho vavolombelony tsy amin'ahiahy Tily aho ka vonona hatrany hatrany Tily aho ka hiaritra na ho tsikyna ho tomany Tily aho ka ho mirana sy ho faly lalandava ka hitsiky hatrany hatrany satria Tily aho
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/vonjeo-i-gasikara
VONJEO i GASIKARA
NY HERIMAR
VONJEO i GASIKARA Ry Ray ao Ambony, Fa nahoana loatra Itony loza no maro tafahoatra? Ambarao anay Ireo tondradrano Sy tany may: Miangavy farano. Ny olonao tety Bibibiby toetra; Maro very dia, Maro manjoretra. Ry Ray ao Ambony, Inoako fa tsy tara; Ny vavako tsy mitony: Vonjeo i Gasikara. Maroc
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soraty-aminny-fo
SORATY AMIN'NY FO
Fredy Jaofera
SORATY AMIN'NY FO Soraty amin'ny fo ny alahelo rehetra dia hiova sy ho lo fa tsy hamepetra ! Soraty amin'ny fo ny vava tsy tanty dia tsy mba ho to, na dia nanabanty. Soraty amin'ny fo ny latsa nanaraka dia tsy mba hanjo fa io hampisaraka. Soraty amin'ny fo ny ratra nanimba dia hamely ny do 'zay nanazimba.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/ny-fitiavana
NY FITIAVANA
RA Freddy Jn
Ny fitiavana raha mbola zaza Tsara sady madio sy mateza Nefa na dia izany aza Tsy ho kely foana io fa hiangeza Ny fitiava rehefa Tanora Tsara ihany fa mbola matsora Nefa kosa aza tsinontsinoavina Fa vao mainka io maitso mavana Ny fitiavana rehefa lehibe Maharitra sady be dia be Eo ianao vao tena hahatsapa Fa io fitiavana io efa latsa-paka Ny fitiavana raha antitra Mihamaivana nefa maranitra Tsy azo solosoloina intsony Fa efa lany tsiro ka mora hadinoina Izany rehetra izany dia mandalo Fa mba hamaranako ity TONONKALO Dia fantaro fa ny Fitiavan'ilay Ray No tena maharitra mandrakizay 10:17
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahavalo
NY FAHAVALO
Fredy Jaofera
NY FAHAVALO Ny fahavalo dia mitady izay tsy hahombiazanao fa hivarina any an-kady isan'andro vaky izao. Ny fahavalo dia mikasa izay tsy hampifaly anao, misaina izany ho lahasa tsy hitsaharan-draorao. Ny fahavalo dia maniry izay tsy hahatsara anao, mitetika avy hangirifiry amin'izay rehetra atao. Ny fahavalo dia mitily izay tsy hampety anao, mahay koa mamilivily ny tigetra mba handao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/ry-tily-
RY TILY ô!
RA Freddy Jn
Mba henonao va re ireto olona marobe? Mitady anao ho namana, sy hanome tanana Sa ilaozanao variana ao anaty torimaso Sy tambazotran-tserasera izay nitombo tato ho ato?? Miandry anao ny taninao izao anio izao Ka vonona ary ve ianao hanafaka azy izao Ny Tompo no manainga anao, mitsangàna ka sahia Ny heriny no omeny anao, hatreto ka hatrary Ireo malagasy namanao no miandry izao Ary ianao izay #Tily no hijoro hanafaka Ka #Tano_ny_finoana mba ho #Ampinganao Hanoheram-pahavalo izay mitady hamotika Ry Tily ô!! Aza dia matoritory fa mifohaza re! Ny fahantrana mampahory no andeha ho resena Fa ny Tompo, ny tanindrazana ary ny namantsika anie No manainga sy maniraka antsika izay efa nanao #Fanekena 09:30 Matin à Ambatolampy Antehiroka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tiako-fa-tsy-fantatro.-ka
Tiako fa tsy fantatro. Ka
Vetso mena
Tiako fa tsy fantatro. Ka dia nitiatia teny. Ny tokana ananako. dia ilay teny hoe eny. Tiako fa tsy aiko akory. Izay mba tiany kasaina. Ahy mantsy hono ny fony. Nefa hafa ny ao an-tsaina. Tiako fa tsy fantatro. Raha toa ka haharitra. Mety tsy izy no lahatro. Nahatonga ny anay tapitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahatanorana
NY FAHATANORANA
Fredy Jaofera
NY FAHATANORANA Ny fahatanorana no androm-pianarana tsy ho hadalana 'zay lalam-pivoarana. Ny fahatanorana no anjaram-piainana mbola andrarana ny oram-pahalainana. Ny fahatanorana no voninkazo lafatra feno hatsarana raha injao manafatra. Ny fahatanorana no antoky ny hoavy, endri-pandikana ny nofy ka lolohavy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/ny-eto-mahatanty
ny eto mahatanty
cedric tolojanahary
Raha toa ianao no lasa. Masìna ianao rahavana . F'izaho hanova indray ny lasa. Fa tsy an-tery ny fitiavana. Raha toa ianao nandao. Niala tsy tamana. Ninia tsotr'izao. Nisitaka sy niala. Dia...izao koa no tsarovy. Fa fiainana ny tany. Ny anio mbola hiova. Fa tsy hijanona ny omaly. Ny eto mahatanty. 'Zay rehetra entinao. tsy mba manaiky ho resy an'ady. Fa mikiry tsotr'izao. Mahaleova mahalasàna. Tso-drano ny ahy no atolotro. F'indray andro any,any aoriana any. Ho tsaroanao ny molotro. Antsony fanahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafanoharana/satrinay
Satrinay
Rafanoharana, Bolespara
O ry ala be tapia Eny atsimotsimo eny Foko manina ny tia O ! Henoy fa mba hiteny Iangavio ry vorondreo Raha mandalondalo any Ma hitatitra ny feo Feon’ny saraka ny akany ! Satrinay anio ihany, Tsy mba rahampitso akory Ilay fotoana tena mamy ‘Lay mpanala ny mahory. Dia ‘lay ora izay hodiana Hiaraha-mikorana ; Eny ora mahaliana ‘Tony foko tsy tamana. Satrinay anio ihany No ho hita vetivety Tsy ny Gara fivinany Tsy mba Ivohitra fa Antety Tsy ny Ranovisy intsony Na ‘roa rano be mafana Fa ny eo Manolotrony Ilay fonena-nialana ! Satrinay anie, zalahy Eo ankilan-dray malala Falifaly ny fanahy Tafaverina ao am-bala ! Satrinay ‘reo zandry tiana Hanoloana maso anay, Dia mba hisy hitsikiana Sy hiaraham-paly ahay ! « Saingy indrisy ny mosary Maharoaka ny amboadia Any an’ala » O ry vary No handaozana olon-tia. Nefa any volana, any taona ‘Zay tokoa no faniriana ‘Sika manko ho tafahaona O ! Maitia, ry fifaliana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/aiza-ianao
Aiza ianao
Harintsoa Gasy Mpikalo
Aiza ianao Fahasambarana aok'izany Ny teo anilanao Tambitamby teny mamy Safosafo lava izao Dia nankamamy nankafy Ity fitia adolatsento Miramirana ery Tsy mba ory tsy nisento Ianao mikatsaka ny soa Mikikitra mangina Izaho mioty voka-tsoa Mahazo izay iriana Tsy mahalala akory Izay hiafaran'ny tantàra Reraka sy resi-tory Tsy nifoha fa efa tara Tsy voavaliko akory Ilay fitiavanao ahy ilay fo faly lasa ngoly matahotra sy miahiahy Aiza ianao aiza ianao ry Tiako? Nanome ny soa fa tsy voakarakara Tsy ianao angaha? ilay fitiavana niriako? Sendra ory vao nitady, kanefa efa tara Aiza ianao? hitantarako ny amiko hanoroka ahy, ka hitantana indray Fa mafy loatra re, ity sedra sy ny saziko Veloma re ry tiako, eo an'ilan'ilay Ray
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-hitany
REHEFA HITANY
Fredy Jaofera
REHEFA HITANY Rehefa hitany fa kotsa ny maso dia nosoritany hiala ny an-kaso. Rehefa hitany fa kivy ny tenako dia mba vitany tsy ho tangenako ! Rehefa hitany fa mafy ny adiko dia ny kintany, nitsilo ny hadiko. Rehefa hitany fa sento no teraka dia nofaritany tsy hiasa tanteraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/izany-ve-
Izany ve? ...
Cat
Izany ve ianao ilay niova fo Ilay nohirahiraina hoe olom baovao aloha Izany ve ianao ilay mba tena tia Ilay nampiaiky ny maro hoe mizara fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/ny-antsaly
Ny Antsaly
Antsa tononkalo.R
Ny Antsaly Mivetso ny omaly ny hiran'ny antsaly ka mahatorovana feno toloko nandratra ny foko; ny fahatsiarovana! Injao tafafoha ny andro taloha fa migadona ny ora O! tany Madisa ranomasoko sisa nalatsako mora! O! rivotra adala, naningotra ahy hiala fanahy sarak'aty nakipany aho, hifamahofaho toy ny ravina maty! "Chansons d'automne" Les sanglots longs Des violons De l’automne Blessent mon coeur D’une langueur Monotone. Tout suffocant Et blême, quand Sonne l’heure, Je me souviens Des jours anciens Et je pleure Et je m’en vais Au vent mauvais Qui m’emporte Deçà, delà, Pareil à la Feuille morte. Paul Verlaine,
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/nilaozan-tsakaiza
nilaozan-tsakaiza
cedric tolojanahary
Oh!r'ilay volan-tomaratra. Nakaiza ary ianao no tsy hita. Fa takon'izato fahavaratra. Ny ranomaso toa mila tsy ho ritra. Oh!r'ilay kitan'ny alina. Izay takon'ny raho-matevina. Misitery tsy haiko fantarina. Hoe hatraiza no fetran'ny heriny. Oh!ry masoandro baliaka. Nakaiza ary ianao no tsy tazana. Niserana dila tsy hita. Nanary sakaiza sy havana. Oh!ry sakaiza tsy foy. Lasa tsy mba niera akory. Fa niserana fotoana fohy Dia nandry sy tena natory. Antsony fanahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/makarakara
MAKARAKARA
Fredy Jaofera
MAKARAKARA Ny azo amin'ny makarakara, mivoaka amin'ny kiloadoaka, na mamirapiratra sy tsara, ieboeboana amin'ny toaka. Ny azo amin'ny makarakara dia tsy maharitra ange, zareo, fa mbola halatra azo ambara mifono alahelo toa mankaleo. Ny azo amin'ny makarakara dia tsy mahatafita lalandava fa tsy maintsy ho very anjara na indro simba na mba rava. Ny azo amin'ny makarakara, tsy mahavanona eto an-tany fa raha tsy ho ratsy fiafara dia hikororosy sy hitomany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/tiako-hitoetra
TIAKO HITOETRA
Antsa tononkalo.R
Tiako hitoetra, Tiako ho taratra eto ihany, ilay endrikao nalaiko sary sarisary tao an-tsaina, saina keliko marary tsy mahita anao maraina Tiako ho tononkira izany, feonao mibitsika ahy horenesiko eto hatrany amin'ny oran'ny fanahy mahafeno ny vinany. Tiako ho emboka ato am-poko, ny hanitrao mampanimbolo amin'ny androko toloko. Eny, tiako hianao, ho tafateotra ara-batana tontolo amin'ny andro rehetra rehetra. Antsa Tononkalo.R volana may in."Hianao no mahalala"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/miandry-fahagagana-sa
MIANDRY FAHAGAGANA SA...
Mikalo nantenaina
Tafita ny olona F'isika mba ahoana? Toa variana mampiteraka, An'ambatobevohoka... Nefa hatram'izao! Tsy mbola vaky ranondohany Tafita ny olona F'isika mba ahoana? Fa toa ilaozanareo, Mifanasa vangy fona! Tafita ny olona F'isika mba ahoana? Izato ianao, Toa mbola mihazoazo, Tamana fahantrana, Sa miandry fahagagana? Tafita ny olona F'isika mba ahoana? Isika toa variana Tsy mahita ny anoloana, Ka tsy mahafantatra akory! Izany fandrosoana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/teny
Teny,
Antsa tononkalo.R
Ho an'i Vetso Mpamaliha Teny. . . Avelao re hamindra malako, ny harivako manjeninjeny ! Fa ny jiron'ny fanantenako dia kintana kely eny ho eny . . . Dia kintana kely eny ho eny, ny afon'ny foko tsy maty ; Tsy maty fa mbola miteny, mikalo mangina ao anaty . . . Ao antin'ny haizina ngaly, ny hirako sisa manako ! Ny hira nafafiko omaly fanilon'ny lalan-kombako . . . Hombako mankany, mankeny avy eny amin'izay niandohako, hamafazako voa amin'ny "Teny" Ny teny izay mbola hiafarako Hiafarako kanefa lalaiko, hiposaka taratra avy ao . . . Ny hirako izay hantenaiko mbola hitsimoka... Fa Avelao ! Avelao re hamindra malako ny harivako manjeninjeny ! Fa ho avy ny fahazavako, ilay maraina nafafiko teny. Antsa Tononkalo.R 27 volana May in "Hianao no mahala"