url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ry-tanora
RY TANORA
NY HERIMAR
RY TANORA Tanora aho, tanora ianao, Ny ataontsika anio ianteheran'ny ho avy; Tsy tara isika raha hiova anio izao, Ny rahampitso lava, ataovy zava-pady. Ilay teny malaza hoe ho avim-pirenena, Hijanona ho nofy raha tsy ampiana ezaka; Kanefa izay kamo tsy azonao terena Sao samy ho lao anivon-dalan-dezaka. Kanefa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fisarahana
FISARAHANA
Fredy Jaofera
FISARAHANA Raha nisy taloha ny andro izay niarahahana kinanjo anefa anio tsy inoana ho fisarahana, tsy maninona tsy akory fa veloma, sombinaiko, mandehana raha handeha fa ny vita re zakaiko ! Ekeko fa mandalo ny teny rehetra rehetra narafitra ho doria, nataoko tsy hisy fetra ; tsarovy fa ny soratra apetrako ho a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-nanan-dreny
RAHA NANAN-DRENY...
Fredy Jaofera
RAHA NANAN-DRENY... Raha nanan-dreny ny foko amam-panahy, tsy nohosihoseny, n'aiza n'aiza fa niahy ! Raha nanan-dreny ny alahelo nampahory, tsy hita novoleny ny latsa be nanorisory. Raha nanan-dreny ny ady mafy nahakivy, tsy mba nofefeny ny tarigetrako in-tsivy. Raha nanan-dreny ny fihafiana nanadala, ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/tiako-raha-mba-tsapanao
Tiako raha mba tsapanao
JERY
Tiako rah mba tsapanao, Ilay FO ♥ midoboka ato anatiko. Manako sesy lany ka mila ts ho tanty Mikalo ilay fitia,Toa rano tsy ho ritra ka zary aina izay mamelona ny anatiko rehetra tiako rah mba tsapanao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/havaoziko-ilay-voady
HAVAOZIKO ILAY VOADY
NY HERIMAR
HAVAOZIKO ILAY VOADY Ifonako malala ireo vitako hatrizay, Ny nampirafesako anao tany an-kafa; Diso ankehitriny, mifona fa fay, Manenjika ny saiko 'reo nenina sy latsa. Noheveriko tokoa fa hahasolo anao Ilay tsara firafitra hitako omaly, Kanefa tsy ela dia iny nandao, Namela fery sy nampitondra jaly. Nodiako ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanginana
NY FANGINANA
Fredy Jaofera
NY FANGINANA Amintinana ny mitaiza raha mibitaka : ny fanginana no sakaiza tsy mamitaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/takarivariva-indray
TAKARIVARIVA INDRAY
Teboka Telo
Ritsodritsoka valiha sy kalokalo an-gitara, Karantsanina kabaosy sy kiririokana farara; Arahin-dihy gasigasy milantolanto an-takariva No handraikana indray ny loha, mamatonalina madiva! Dia samy revo, varimbarin'ny vazovazo feno angola; Samy roboka niangaly, samy rebika nidola! Toa volom-boron'entinketin-drivodri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-ray-amandreny
NY RAY AMANDRENY
NY HERIMAR
NY RAY AMANDRENY Tena hafa ihany Ny velon-dray sy reny Fa manana mpiteny Raha mbola eto an-tany. Mpamelona sy mpikolo, Niahy hatraiza hatraiza Nanabe sy nitaiza Tao anatin'ny tontolo. Fa tena hafa ihany ny eo anilan'izy ireo, Fa lavitra toreo, Ny alahelo sy tomany. Fa tena hafa tokoa Izany olona niteraka,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/iny
INY
Mikalo nantenaina
Mbetika ny rahona manakona ny volana, Ka mandiso fiheverana an'ireo mila rotsirotsy, Kanefa,io volana io! Tsy mandalo na hoe miserana! Mitoetra fa tsy very, Manala tahotra ny fo izay farofirofy, Mbetika ny lasa... mihevitra ahy ho adala, Fa ny vanin'andron'ny ririnina e! tsy hilaozana fanala, Mbetika aho m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fananam-pahatsorana
NY FANANAM-PAHATSORANA
Fredy Jaofera
NY FANANAM-PAHATSORANA Ny fananam-pahatsorana, fananam-pahamboniana mendika foana hizorana raha te hahazo fitoniana. Ny fananam-pahatsorana no fananam-pahazavana, tsy mba mahalala orana fa maneho ny hatsarana. Ny fananam-pahatsorana no fananan-kasambarana mbola mety anamborana ny mamy vao fivoarana. Ny fan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/na-tsy-natao
NA TSY NATAO
NY HERIMAR
Tsy natao ho manga Ny loko menamena, Fa mameno ny banga Tsy maintsy ekena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/mpivahiny
MPIVAHINY
Mikalo nantenaina
Tsy ny zokiolona! Na koa ireo be antitra... Dia lazaina hoe ;"hazo amoron-tevana" Fa na ianao tanora! Manana ny tanjaka,manana ny hery, Na ny zaza mena vava,izay mbola miankina tanteraka amin'ny fiarovan-dreny! Na ny mbola tsy hary,na ianao miriaria... Tsy misy afaka hamahatra ny tany, Fa mpivahiny isika,mandal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ianao-mantsy
IANAO MANTSY
NY HERIMAR
IANAO MANTSY Malalako ianao, safidy tena tiako, Na inona hitranga, onjaonjan-ditra? Hanariko ho vao, tsy handeha hariako, Hotolorako hatrany fitia tsy mety ritra. Efa tia aho, hiaritra na mafy, Tsy avelako ho levona ilay nofinofinao; Ny fakampanahy, saritsarin-gafy, Tsy avelako hanjaka, roahiko handao. Ny maso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ho-azonao-ny-foko
TSY HO AZONAO NY FOKO
Fredy Jaofera
TSY HO AZONAO NY FOKO Tsy ho azonao ny foko nisento vao voafitaka, na be aza ireo toloko 'zay tsy mampibitaka. Tsy ho azonao ny foko nomenao fandaingana, na dia rehefa hanjoko hivetso tsy hay rarana. Tsy ho azonao ny foko nahazo fahambaniana, na mbola tsy ninoako sy mba nitomaniana. Tsy ho azonao ny foko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fotsim-bary
FOTSIM-BARY
Fredy Jaofera
FOTSIM-BARY Nahita fotsim-bary ka ravo sy sahirana 'ty olon-tsy manjary tsy tsara hifikirana. Nahita fotsim-bary ka manararao-paty ny azo an-karihary fa tsy soa poak'aty. Nahita fotsim-bary ka mangalatra avy, miseko tsy mirary antsika mianakavy. Nahita fotsim-bary ka voky sy matory ; azo alaina an-tsary ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aingam-pahatsiarovana
AINGAM-PAHATSIAROVANA…
RRAG
Embona sendra lasa raha niverina nitopy maso ireo tahirin-tsary navelan’ireo dia maromaro niarahako tamin’ny vady malalako! Tolotra fitia ho azy manokana ity… AINGAM-PAHATSIAROVANA… Embom-pahatsiarovana ny lasa nitamberina… Avy eny Andohalo, ka hatreny anaty Rova! Ilay vako-pahatsiarovana ny fanjakan’i Merina, no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/antsiranana
ANTSIRANANA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Antsiranana! etsy ianao ho entiko hitetiteti-tany etsy ianao ho entiko ho any Antsiranana any any misy fomba amam-panao misy kolontsaina hafa mihitsy tsy hoe akory vaovao fa kolontsaina efa nisy reharehan'ny tanàna ka tena mahatamàn’ ireo mpizahan-tany. Any Antsiranana any ny fanaon'ny sakalava mifety lal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/io-fitiavana-io
IO FITIAVANA IO
NY HERIMAR
IO FITIAVANA IO Io fitiavana io mahagagagaga ihany, Mampisy ny tsy àry, mamorona ny tsisy; Io fitiavana io tsy takatrao izany, Mandatsaka Tomany, mamelona tsiky. Io fitiavana io mila anao mikolo, Mila olon-droa tsy miantsara velatsihy, Io fitiavana io mety ho lasa mololo, Toy ny akanjo kontsa an-tavan'ny mpandi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ny-foko-no-nitia-fa-tsy-ny-azy
Ny foko no nitia fa tsy ny azy
Vetso mena
Ny foko no nitia fa tsy ny azy Ka izay lazaiko ataony vazivazy Satria tokoa hono, izany no izy Fa fitiavany ahy toa tsy ho hisy Ny foko no naniry ny hitia Nahatonga ny saiko te hiriaria Saingy indrisy nofy ihany izany Nofinofy nampisento tomany Fitia tsy mivaly ve tsy hiteraka alahelo ? Ka mampisy ranomaso sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indrisy-eh
INDRISY EH...!
RRAG
INDRISY EH...! Indrisy ianao ry tany saika aho hisento. Nefa aoka ihany raha mbola tsy mitepo, amiko ny fon’ ilay toka-notiaviko. Indrisy tsy any intsony ka indro indray holaviko. Ny fitiavako izay nekeny, tsy nisy izay fandavana. Fa saingy efa ela ireny, no niandrasako rahavana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roland-savio-rafanomezantsoa/anjara-malala-a...-tsy
ANJARA
roland savio rafanomezantsoa
malala a... Tsy mba endrika na bika Fà ilay fo mitepo Tao anatiko sy ianao No nampiray antsika ary koa tsy vola na fananana No nampifanojo ilay fijery Fa ilay fitia tsy hay sakanana Ilay safidy tsy an-tery Malala a..... Efa safidy ny ahy ny hitia Ka na inona handalo tsy hampiova sanatria Ilay dina izay neke...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faka-nihary-rantsana
FAKA NIHARY RANTSANA…!
RRAG
Indro amboaran-tononkalo iray valin-kafatra ho an’ilay tononkalo nosoratako ny 11 Jona 2018 izay nitondra ny lohateny hoe: “FOTOTRA FAHAROA…!” FAKA NIHARY RANTSANA…! Tazana sy hita ‘lay faka nipoirana, ‘zay nihary aina, ho sombiny sy ho zanany. Nitondra hazavana, sy taratra mangirana, sady koa nizara, ny tena hafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tsiky-atoratorany
NY TSIKY ATORATORANY…
RRAG
NY TSIKY ATORATORANY… Aza heverinao ho eny, ka mamaly ny fitia, izay natosatosakao, fa hoe haniry ny hiara-dia, ny tsikitsiky atorany iny, namaly ilay anao, izay tsiky nasetry, fitiavan-kilalao! Aza heverinao mihitsy, fa raha miresaka aminao, dia taratara sy efa potika ary koa babonao, itsy fahatsoram-pony, tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/laguerre
LaGuerre
Avoss jah
La Guerre,e Life Io Laguerra Vao Mihetsika Mafy Anao Da Laguerre Na Olon_tsotra Na Rappeura E Guerre Tsy Maintsy Miseho Arakaraka E Zavamisy Na To Nao Na Tsy To Nao E Teo Da Tsy Maintsy Guerra E Misy Gne Fiainany Io Laguerra Fa Tsy Vitany Gne Werawera Na Anao Magnano Sambatra Io Ity Gne Tadidio Na Maro Gne M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-ndh/jaly
Jaly
Avoss Ndh
Jaly,jaly Tsy Maintsy Misy N'iza N'iza Miaina Tsy Maintsy Mijaly Fo,fanahy,vatana Raha Eo Amin'ny Fiainana Izay Matanjan_tsaina Ihany No Sambatra Gne Mitady Fahombiaza Mijaly Fa Tsy Mitovy Ame Mijara Karatra Mila Miketrika,mandigny Lanjin'ady Miady Aloa Vao Resy Fa Tsy MEty resy Tsy Miady Fadio Gne Miondriky,fa M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/mahagaga
Mahagaga
Harintsoa Gasy Mpikalo
Mahagaga Mahagaga ahy tokoa Raha izato fiarahamonina Tsy nahitako zava-tsoa Raha tsy sorisory monomonona Tsy mba nifampitaiza Fa mifampiana-dratsy Tsisy lalana mankaiza Fa be fiteti-dratsy Na mpitondra fanjakana Na koa vahoaka entina Samy ambonin'ny lalàna Madio tsy misy pentina Dia mifanambany Manampa-pa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ity-ny-teniko
Ity ny teniko
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ity ny teniko, mba raiso, Mandondona ny fonao. Hamafa ranomaso, Sy ny alahelo tavela ao! Ity ny teniko, fihino, Mifangaro rotsirotsy. Hitondra anao hanadino, Ireo mitsiahy tantara ratsy! Ity ny teniko, halalino; Hamantaranao an-tsaina, Ireo hevi-petsiny mifono. Izay tsy sahiko lazaina. Ity ny teniko mivoady...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-felana-a
I FELANA A?
RRAG
I FELANA A? Miravaka halemena, fa dia manafin-toetra. Minday rotsirotsy, nefa injay, misetra! Miangola sy mitamby, indrisy fa maneso! Raha toa antokom-pihira dia, ilay mpanao beso! Toa hoe manafosafo, nefa toa mandrangotra. Mivolan-teny mamy, nefa koa mandrangitra! Makamaka fo, dia indro indray mandràtra. Nante...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-lainga-2
NY LAINGA
Fredy Jaofera
NY LAINGA Ny lainga mamelana fa tsy mamoa, vao miainga, mielanelana isika roa !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hisava
TSY HISAVA…
RRAG
Ity tononkalo ity dia nosoratako teo anivon-tsento lalina tsy takatry ny eritreritra ho takarina raha iny aho nahare fa lavon’ny fiainana ilay raibenay rahalahin’ny dadabenay avy amin’ny reniko. Mandria am-piadanana Dadabe malalanay TSY HISAVA… “Tsy misy aloka tsy hisava, tsy hisy haizina tsy hazava. Tsisy bongo ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kalo-mamatonalina/ry-fireneko-ry-gasikarak
Ry fireneko Ry Gasikarak
Kalo mamatonalina
Ry fireneko Ry Gasikarak ô! Nahoana re ianao no voahozona indrindra raha samy firenena eto an-tany? Nahoana re ianao no tsy afaka mampilahatra izay fombanao maha malagasy izany? Nahoana no tsy mety mandroso fa mihemotra laharana hatrany hatrany? Nahoana no tsy ny vahoakanao no misitraka ireo harenanao izay ao amba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/inspirako
Inspirako
Avoss jah
Gne Inspirako E Miakatry Tsy Maintsy Tonga Lafatry Anao Malaigny Da Ho Valaky Fa Gn'aty Tsy Maintsy Tafakatry gne Lany Da Tsy Ho HIsy Fa Gne Ainam_panahikoApagnarako E Zava_misy Na De Toboboky E Malaigny Vao Maiky Mampiakatra Gne Feeling Rehefa Avy Gne Inspiration Mangala Taratasy Da Stylo Tsy Mijanigny Ijy I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-tsisy-mba-nijery
ILAY TSISY MBA NIJERY...
RRAG
ILAY TSISY MBA NIJERY... Nakapoky ny feriny hianjera an-dava maimbo, ny fony nanantena hitsabo irony lasany. Ravina nihintsana fa maina hatramin’ny laingo, no tsiaro mba napetraky ny hifirin-dratrany. Fasana no akaniny hitoeran'ity nofony, mihintsana sy lo fa resin’ny adim-piainana. Mangidy dia mangidy ny langon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotondranary-mampionona/ilay-loloko
ILAY LOLOKO
RAKOTONDRANARY Mampionona
Lolo, voary mahavariana Tsara tarehy sy mahasondriana. Mambabo ny fo raha jerena. Mahate ho tia, feno fahalemena Ny vonikazo no tena tiany Raozy mamelatra no faniriany. Na dia singan'iray ihany aza. Maharavo ny fony izay toa zaza Raha samborina izy dia mandao. Fa izy mila matoky anao. Miverina kosa izy rehefa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-azonao-atao-dia
RAHA AZONAO ATAO DIA…
RRAG
RAHA AZONAO ATAO DIA… Aza fongarina akory, ny lasa sy ny etsetrany, ny mamy sy mangidy, ‘mbamin’irony setrany, manaikitra tsy miato, toa tsy misy fetrany. Aza avela hifoha, ny tsiaro sy tadidy, na ‘rony nankahalaina tanatin’ny safidy, na ‘retsy voatahiry fa mamy marikivy! Aza tairinao ny fo efa mitony, ‘lay leo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-ianao
IZA IANAO?
RRAG
IZA IANAO? Iza ianao raha tsy mahadiso? Fa tiako ho fantatra sy ho lala. Ny endrikao toy ny efa hitako, tsy vaon’ny masoko mijery. Ny anaranao mitamberina, toa efa maro mpahalala. Ny bikanao toa anjely, ny toetranao koa misitery. Saingy meva raha fijery, sariadriaka tava lava. Nefa moa ve ireny, dia ahafahana mil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-fanja-sa-i-njaka
I FANJA… SA I …NJAKA…?
RRAG
Ainga somary nanidintsidina teny an’habakabaky ny nofy. Tora-kevitra tsy ilàna ady hevitra akory. I Fanja… sy i …Njaka… tsy iza fa samy teny mandrafitra ny teny hoe: “Fanjakana” avokoa. I FANJA… SA I …NJAKA…? Fihibohana efa ho lava, fa tsy atao mahakivy. Na izany aza, aiza izay adidy, nefain’ikala Fanja…, hanorenan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-tiavina
AZA TIAVINA…
RRAG
AZA TIAVINA… Voro-damba rovidrovitra, feno zaitra efa drodroka, no fitafy zary an-koditro, tinapa-tady no hany rojoko. Haofotsy miparitaka, volon-doha misavoritaka, araham-baoty tatatataka, sy fofona mampihatakataka! Adala aho! Nokapohin’ny fiainana, ka voadona ny fisainana, ‘lay hany afaka nandinika, na ko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/onja
ONJA…
RRAG
ONJA… Ory nefa manana, fo mahay miantra. Ny azy ny eny an-tanana, foiny ho an’ny hafa. Jamba fa mahiratra, mahita fo taraina. Ady manahirana, ny azy ny maraina. Onja fa milefitra, amin’ny fo ‘zay osa. Tena fo mandefitra, malefaka sy tsotra. Satry fa tsy irina, saingy tsy maintsy ho namana. Matetika ny tiana, di...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ampinganay-ianao
AMPINGANAY IANAO…
RRAG
AMPINGANAY IANAO… Moa, firifiry tamin’ireny, sahy nitsara anao ireny, no nahefa ny adidiny, tamin’ny zanaka amam-badiny? Iza? Fa moa, iza tamin’ireo, tsy nitsahatra niteny, no sahy nisedra tsy nandao, izato tolona sy adiny? Saingy ianao izao no eo, dia enjehina, finganina! Esoesoina aman-teny, sady ataony hoe tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fetra
FETRA…
RRAG
FETRA… Tsy maintsy hasiam-petra, ihany izay atao, fa tsy ny rehetra, dia avela hitsara anao. Ka avela hitanisa, ‘reo hadalana vita. Tsy maintsy misy farany, ny alahelon-tany. Tsy maintsy misy farany, ny fototry ny tomany. Tsy maintsy hisy fetra, ‘reo fo misetrasetra. Anio dia mety anjarany, ny hikapoka ny tena. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iry-vola-mibaliaka
IRY VOLA-MIBALIAKA…
RRAG
Somary handringa amin’ny fijerin’ny maro aho eto satria amiko dia ny teny hoe: Ianao sy indrỳ dia teny mitovy ka noho izany dia tsy hitako ny lanjan’ny fanasarahana ny teny an-drỳ izay tokony ho andrỳ amiko satria mitovy amin’ny anao ihany koa. Koa aza tsiny indrindra amin’izay mety ho tohina amin’ny fanoherako ny raki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lalana-izay-nolalovana
LALANA IZAY NOLALOVANA…
RRAG
LALANA IZAY NOLALOVANA… Misento manipy jinery, mandatsa-tomany amin-tava. Toky efa vita tsianjery, no hanembonan’alahelo efa ho lava. Latsaka ny ranomaso, vontosam-pahoriana ny fo. Tomefy herisetra sy ankaso, nefa sendra fitia vao miandoha. Lalana izay nolalovana, no injay mitamberina indray. Mamerina fahats...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-lalana-mankany
NY LALANA MANKANY…
RRAG
NY LALANA MANKANY… Tinazany itsy kintana, mitaratra tsy miato ny efitranonao. Dia nitsapa vintana ‘ty fony te hiantsampy ho eny an-tratranao. Fa tiany hono ianao, tokan’ny safidiny. Toa indro, nefa hatramin’izao, ny fony ilay mitia, tsy nasianao vidiny. Navelanao ho resin’ny tebiteby lalina, dia mandefa vina....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-tenindrazako-lalaiko
RY TENINDRAZAKO LALAIKO…
RRAG
Amin’izao iray volan’ny teny Malagasy izao dia fifaliana lehibe ho ahy ny manoratra sy manolotra ity amboara iray ity. Eo: “Raiso anatra ny tsara, ovao ho soa ny ratsy”. RY TENINDRAZAKO LALAIKO… Asa re ankehitriny, raha mbola hihaino ahy ianao, tamin’ny sotasota vitako, ny rafidrafi-tsoratrao. Nafangaroko litera, ‘...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fetinny-fo
FETIN’NY FO…
RRAG
FETIN’NY FO… Mba hifety koa hono, ny fo ‘zay mitia, ka hiaraka hifety, ‘reo fo miara-dia, izay tsy maintsy, tsy maintsy mbola hisedra. Setrasetra maro, sy ady tena ‘ngeza! Mba hifety koa hono, ity fo satria, fotoanany izao, androny anio. Atao toy ny tsy misy ‘reo herin-tadio, nanarona ny aty fo, fo izay mitia! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anao-misento-anio
HO ANAO MISENTO ANIO…
RRAG
Any ho any koa nefa misy misento amin’ity andro anio ity satria vesaran’alahelo! HO ANAO MISENTO ANIO… Ho anao misento anio fa nahatsapa maizim-bolana, hoe lavo teny ho eny, ny Reny nianteherana! Ho anao ‘lay mitomany, fa tojo ady sy olana, irony tahirin-tsary, no ‘ndeha hiverenana! Dia vinanio etoana, ny tsiky i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manan
MANANÀ…
RRAG
MANANÀ… Mananà ianao finoana, mananà faharetana! Mananà fitokisana, ny hoavin’ny maraina. Mahaiza mampitony, sy mandamin-tsaina, fa ianao ‘lay hoavy, mbola handrandraina. Tsarovy irony lasa, tsy naharesy anao. Banjino izato hoavy, ary koa fakao, fa ao no mitoetra, ny herim-pahendrena. Raha hainao mioty, dia ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nolazainy
NOLAZAINY…
RRAG
Entina hampandinika ny tsirairay momba ny maha Malagasy antsika ity fa tsy hanasongadinana ny CVO akory! NOLAZAINY… Nolazainy sampy jiaby, irony finoan-drazantsika! Tsy maninona! Nolazainy ody koa, ny tapa-kazo sy ny sisa! Tsy maninona! Nolazainy azy koa ny tany lovan-drazanao! Kanefa haninona? Tsy hisy hihaino...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misy-jery
MISY JERY…
RRAG
MISY JERY… Misy jery tsy voafetra, tsy voasakan’ny eritreritra. Minia mikiry ka misetra, sady mbola tsy milefitra! Misy jery tsy voatana, nodifian-tsiky tsy tamana. Ka zary injao mialokaloka, ‘ty talaho an’endri-maloka! Misy jery tsy hay fefena, nahatonga fo nihenahena! Saingy zary ranomaso, no nazeran’ito ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-hitako-aza-mahita-ahy
AZA HITAKO… AZA MAHITA AHY…
RRAG
AZA HITAKO… AZA MAHITA AHY… Ireny latsalatsa teny naraham-bava latsaka, no solika nandrehitra ny fankahalana taminy. Ny jojon-dranomasony niary vara-datsaka, no tafio-drivotra nandrodana ny akaniny. ‘Lay hany noheveriny ho afo ahafaha-mamindro, no orambe nivatra nandena ny tan-kodiny. Ary koa ny tiany ‘zay mamin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tsy-efanay-ry-tompo
NY TSY EFANAY RY TOMPO…
RRAG
NY TSY EFANAY RY TOMPO… Solafaky ny ady sy sedra izay mangidy, dia ‘njay indray mahatsiaro ny anaranao ‘lay tokana. Kanefa rehefa sambatsambatra, dia tsy nahay nifidy, fa teny an-dava-kaizina, no injao niantoraka! Lavo indray ry Tompo, vao toa mba nahatadidy, ny anaranao ‘lay masina, tsy pentim-pahotana. Hoe any...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hitako-ny-ambara
TSY HITAKO NY AMBARA…
RRAG
Teo am-pandinihana ireo tahirin-tsary aho no natosiky ny fahatsiarovako hanoratra ity amboara iray ity. Amboara atolotro manokana ho an’ireo: “Reny” rehetra ka nahay nizara fitia tamin’ny sombin’ny ainy sy ny vady malalany. TSY HITAKO NY AMBARA… Reny i? Neny! Mama! Tsy hitako ny ambara, fa feno fifaliana ‘ty foko mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mizarazara-tsiky
MIZARAZARA TSIKY!
RRAG
MIZARAZARA TSIKY! Maraina vao no atrehina, antenain-kanova ny haizina ho hazavana, sy hamafa ny alahelo. Ho zary tambitamby, ny setra izay nandroba, ‘lay endri-pifaliana, ‘zay ela tsy nihelo! Tinakon-draho-matevina, ny taratra fanilon’ ilay mpizarazara vetso, fampitoniam-pery. Ka indro Reny miavaka, no hery sady...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-hoterena
RAHA HOTERENA…
RRAG
RAHA HOTERENA… Sanatria tsy hoe biby, ka tsy maintsy ho baikoina. Sanatria tsy hoe didy, zary ho lasa fanompoana, ny fitiavana mitoetra, ‘zay hitovizan’ny rehetra. Raha hoterena foana, aleo kosa angamba tsisy. Aleo ny fo hangina hisaona, mody hisaron-tsikitsiky. Raha hoterena ‘ty fitiavana, toa tsy hisy rah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-porofom-pitiavana
TSY POROFOM-PITIAVANA
Fredy Jaofera
TSY POROFOM-PITIAVANA Tsy porofom-pitiavana, na oviana na oviana ny vava nataony, fa mainka finiavana hanome fijaliana mba ho lalaony ! Tsy porofom-pitiavana toa maharesy lahatra ireo latsa sy fosa fa izay hahatongavana, na saika tsy takatra ho adalany kosa ! Tsy porofom-pitiavana nitondra fiadanana ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/alina
Alina
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Alina iray mangiana sady tony Alin'ny ririnina manerika manify Ali-maizim-pito tsy nahitako intsony 'Lay fanantenan'ny alina. Lasa sy nidify Alim-pahanginana mibaiko koa ny tavako Hanjombona tanteraka, handrotsaka tomany Ali-nilazana fa lasa ilay fitiavako Tsy ho eto intsony fa lasa handao ny tany Alim-pahorian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fotako
FOTAKO…
RRAG
FOTAKO… Fotako io fa avelao, maloto eo ny akanjonao. Mba avelao fa fotako io, ny akanjonao toa mba madio. Io no foto-pivelomako, zary ady hitolomako, mbola faka nipoirako, ary ho lavaka hisitrihako. Io no asa fivelomako, hitadiavako ny ampitso, ka tsy maintsy hilofosako, na dia maimbo sy masiso. Fotaka ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranir-tsioharana/fandresena
Fandresena
Ranir-tsioharana
Fisainana madio Ny tsikiko anio Fandresena no amafisiko Tsy ho neniko ny latsa HAmalonako ny lasa Hibanjinako ny ampitsoko MAHERY AHO Fikirizana tsy very Ny ho avy misitery Fanantenana mangarahara Hisatrohana ny adidy Tsy hilofika na ho kivy Hikarohana ny tsara MAHERY AHO Hery ho ahy tanjoko Tsy hilofika...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/endrika
Endrika
Dox
Izato singam-bolo mandadina, olioly ! Tarehy voakolokolo toy ny tanimboly… Ny molotra homehy, ny nify toy ny voahangy mamelana, endrey ! Sariaka sa misangy ? Hay tsy vosobosotra ? Mahery noho ny ankosotra tokoa ny singam-bolo… Na dia izay aza, tsy menatra aho milaza : Vintan’ny hanimbolo !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/banga
BANGA…
RRAG
BANGA… Izato ianao no injao maneso mandatsalatsa fo misento, varivariana ny mivetso, ireo tononkiram-pahatsiarovany? Banga mantsy ny efiny, ka ny hiranao no tefiny, rehefa tsy eo ianao! Nahoana ianao no dia nitsapa, nanery azy hitondra ràtra, nefa fantatrao ihany, fa tsy ho zinakany izany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-azy
NY AZY
Fredy Jaofera
NY AZY Hevi-petsy ny azy,leitsy, ny mangeja itony eja tsy anjarany ka ny farany ito foko be toloko ; ito saina savolaina fa tsy ireny no hoe : reny hampisava lalandava ny ady mafy nampihafy ; 'tony ratra nahazatra ; 'tony fosa nahosa ; 'reo tomany tsy hita lany... Reny hafa vao mitafa tsy mamel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-lasa
EFA LASA…
RRAG
EFA LASA… Anio misento sisa no azoko atao, fa tsy afa-miantso anao. Efa lasa mantsy, lasana nandao, namonjy ilay tontolo, tontolo vaovao. ‘zay nandehananao, namonjy ilay sampanana, tsy maintsy holalovanao, ka nampisaona ny foko. Saingy indrisy mantsy, fa lasa ianao ry ilay tsy foiko. Efa lasa, tsy ho hitako in...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-fakanny-fo
RY FAKAN’NY FO…
RRAG
RY FAKAN’NY FO… Tiako ianao, ka ho averimberiko! Tiako ianao, ka tsy mba ho afeniko. Tsy maintsy ambarako, amin-teniko, mba tsy ho ampitso, vao ho neniko. Fa tiako ianao, eny tiako tsotra izao. Ry fakan’ny foko: “Ho anao ‘ty toloko, mandrakotra ny tenako”. Fihino mafy, izaho sy ny henatro, mba hahasahiak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/sakodiavatra
SAKODIAVATRA
RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Tsy hanao fitarainana Fa mba sanganehana Mandinika ny fiainana Anatin'ny fahamehana. Fa mba mahalasa saina ireo vola sy ireo entana; Voalaza fa hampiasaina hiadiana izato aretina. Ny haino aman-jery mizara tarehimarika; Mitaona sy manery handray izay toromarika: Kanefa lamba kely, maloto, ratsy zaitra No ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/mololo
MOLOLO
RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
MOLOLO Tantara iray avy ao ambanivolo No indro atolotro anao androany; Izarazarako ny resa-"mololo" Amin'ny endriny maro izay misy eto an-tany. Misy tanàna malaza iray izay, Fa mahay mpitondra sy lali-bahoaka; Fa rehefa zohiana dia mampikaikay, Hay tsy tena basy fa tsipoapoaka. Fa mba iza tokoa ireo vahoaka mo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kinanjo-ianao
KINANJO IANAO…
RRAG
Fahatsiarovana manokana ireo miaramila Malagasy izay namoy ny ainy tan’ady tany ivelan’i Madagasikara. KINANJO IANAO… Nifanao fotoana isika, kinanjo ianao tsy tazana, hamonjy izany! Ianao toa tsy hita, fa hoe: “Nandeha niatrika ady mazana”. Nalefa nita rano, hitolona! Ho an’ny firenena. Kinanjo ianao nahita ang...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozy-mainty
RAOZY MAINTY…
RRAG
RAOZY MAINTY… Iray faka tamin’ny voa, iray fototra amin’ny fo, iray tany faniriana, iray sento sy hafaliana! Ny hafa nefa meva ihany, fa ny azy loko hafa kely, na dia iray vovo-tany, izy meva fa tsy anjely! Eo an-jaridaina eo, toa misy voa hafa filoko. Hitako vao taninkeo, mainty ny azy ny loko. Tsy hoe to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/aza-kivy
AZA KIVY
RA Freddy Jn
Na maloka aza ny andro anio Dia aza kivy na ketraka am-po Fa ny Tomponao no tadidio Dia ho foana ny alahelo sy aretin'andoha Raha resy ianao androany Na koa hakorain'ny fahavalo Dia tsarovy fa indray andro any Mbola hisy ny hampikalokalo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/vonjy
Vonjy
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Mirana ny tavako, mifaly anao ny masoko Mitsiky anao ny/molotro, ravo anao ny foko Mandray anao ny saiko, mikalo ny fanahiko Ka miarahaba anao fa tojo anao ny tenako Ety am-piandohana no hirariako mamy Ny fiarahan-tsika ho lavi-pahoriana Ka n'inona hiseho, hanjaka hatrany hatrany Ampoko sy am-ponao ny atao hoe f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-fasako-mangina
RY FASAKO MANGINA…
RRAG
RY FASAKO MANGINA… Aza mbola manantena, ny hahita ahy akory. Fa mety mbola ho elaela, hoy ‘ty foko mbola tony, vao hihaona angamba isika, raha to any lalana ho tafita! Aza miandry ahy, na manisa ny andro sisako. Aza dia velona ahiahy, fa hamangy ihany aho raha sitrako. Ry fasako mangina, aza misento ho ahy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanahy-fa-tsy-ny-vola-2
NY FANAHY FA TSY NY VOLA
Fredy Jaofera
NY FANAHY FA TSY NY VOLA Ny fanahy fa tsy ny vola no mahafinaritra ahy mankany raha mihira sy hoe mbola mitady anao hahafaly hatrany. Ny fanahy fa tsy ny vola no mahatamana marimarina raha mitombo fa tsy tola ny fitia tsy hay amboarina ! Ny fanahy fa tsy ny vola no mampazoto hiray tigetra rehefa misy 'zay an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/taratasy-ho-anny-manina
TARATASY HO AN’NY MANINA…
RRAG
TARATASY HO AN’NY MANINA… Ry Malagasy ilavitra any, ity no hany sora-tanako, taratasy ho an’ny manina, ho anareo namako. Ka raha mahatsiaro ianao, dia tsarovy i Gasikara, ilay tany nipoirana, tanindrazana malala. Aza hadino fa ny tolona, nilofosan’olomanga, tanaty ady mafy maro, eny hatreny Moramanga, dia ho ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miangatra-ity-lanitra
MIANGATRA ITY LANITRA.
RRAG
Tononkalo nisintoniko manokana tamin’ilay ainga nosoratako nampitondraiko ny lohateny hoe: “MIANGATRA NY LANITRA” izay nosoratako anio ihany. MIANGATRA ITY LANITRA. Indrisy fa miangatra ity lanitra, fa ny aty sahirana tsy manana ho hatelina. Totofan’ola-maro satria ve mahantra, tsy mahita akory izay hanin-kahavelo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/hoento-hanaraka-anao-aho-
HOENTO HANARAKA ANAO AHO ...
RMA
Io no antsoantso reko farany,mialohan'ny handaozako ity tany! Ny fianankaviako mifokofoko,tohana ny fo ary ny niafarany teraka ny tomany! Toa tsiaro avokoa ireo fanao mahazatra niarahana tamiko, Misy ary moa no nahavatra nitana ny akanjoko... Toy izany tokoa ve ny fiainana eto an-tany? Toa mandalo sy miserana tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/izay-ihany-ny-ahy
Izay ihany ny ahy
Harintsoa Gasy Mpikalo
Maika ery hanitsy vao teny frantsay Rehefa mifangaro ny la sy ny le Rehefa teny gasy ataony alasafay Ianao ilay mba miteny no lazainy mampiomehy Dedaka io hanonona raha vao teny Amerikanina Fa ny teny gasy no atao anjorom-bala Midera tena ery fa mahay teny Alimanina Dia injay misehoseho ho mahay sy mahalala F'i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-tsy-mahazaka
MISY TSY MAHAZAKA
Fredy Jaofera
MISY TSY MAHAZAKA Misy tsy mahazaka mahita anao mifaly ka te handefa daka rehefa avy hamaly. Misy tsy mahazaka mahita anao mihira ka tsy mahay maka ny fo voaviravira. Misy tsy mahazaka mahita anao mitory ka indro re fa vaka sy manan-tsorisory. Misy tsy mahazaka mahita anao mijoro ka tia mamakafaka fa mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/iny-alina-iny
Iny alina iny
Vetso mena
Iny alina iny, teo am-baravarakely teo Taitra izato saina nahare izany feo Toa olona mitomany no tokana mba re Sady tovovavy iray izay toa efa fandre Niezaka nitazana, avy aiza izany feo Nefa toa tsy reko tampotampoka teo Lasalasa ny saina fa inona no mitranga Ka dia nivoaka naka saina teo an-davarangana Iny al...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/anjara
ANJARA
RA Freddy Jn
Anarana iray tena tsy foiko Niorim-paka tato am-poko Jiro nitsilo ny Fanahiko Alaiko ho silam-panahiko Raha misy mikasa handrava Ampy ho ahy ny fiainana ho lava
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/ra-vorona
Ra vorona
Harintsoa Gasy Mpikalo
Aody re ra vorona salama ve ianao? Tonga mba hamangy aho re raha toa ka sitrakao? Sady avy koa mba hampita hafatra e! Tsy laniko tsianjery fa izaho tsy tonga lafatra Nanafatra ahy ny Ntaolo Hoe, hoesorina daholo ireo tanàna haolo Fa be ny gasy tsisy Trano Miaina lava anaty rano Be ny mangatsiaka Tsy mba manan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/alinny-ditra
Alin'ny ditra
Harintsoa Gasy Mpikalo
Minia mikipy mody tsy mahalala akory An'ity foko misento amin'ny andro maha-ory? Miventso misioka ao anatin'ny alina Fitia misy tery toa saro-patarina Jamba ary ve? Tsy mahita sa tsy mandre? Sa? solafaky ny tany malaman'ny ditra? Dia ilay olo-malala no hodiana tsy hita? Sento tokana ao anatin'ny alina Fitia m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/tily-aho
TILY AHO
RA Freddy Jn
Tily aho, tily malagasy ka handeha hanasoa ireo namako rehetra indrindra fa amintsika Malagasy izay fiaraha-monina mbola tiako hitoetra Tily aho ka sarotra ho ahy no hamela ireo zandriko hangahiahy indrindra fa ity tanindrazako ity izay mbola hitoerako rahatrizay Tily aho ka tsy handà ireo andraikitro ny amin'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/vonjeo-i-gasikara
VONJEO i GASIKARA
NY HERIMAR
VONJEO i GASIKARA Ry Ray ao Ambony, Fa nahoana loatra Itony loza no maro tafahoatra? Ambarao anay Ireo tondradrano Sy tany may: Miangavy farano. Ny olonao tety Bibibiby toetra; Maro very dia, Maro manjoretra. Ry Ray ao Ambony, Inoako fa tsy tara; Ny vavako tsy mitony: Vonjeo i Gasikara. Maroc
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soraty-aminny-fo
SORATY AMIN'NY FO
Fredy Jaofera
SORATY AMIN'NY FO Soraty amin'ny fo ny alahelo rehetra dia hiova sy ho lo fa tsy hamepetra ! Soraty amin'ny fo ny vava tsy tanty dia tsy mba ho to, na dia nanabanty. Soraty amin'ny fo ny latsa nanaraka dia tsy mba hanjo fa io hampisaraka. Soraty amin'ny fo ny ratra nanimba dia hamely ny do 'zay nanazimb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/ny-fitiavana
NY FITIAVANA
RA Freddy Jn
Ny fitiavana raha mbola zaza Tsara sady madio sy mateza Nefa na dia izany aza Tsy ho kely foana io fa hiangeza Ny fitiava rehefa Tanora Tsara ihany fa mbola matsora Nefa kosa aza tsinontsinoavina Fa vao mainka io maitso mavana Ny fitiavana rehefa lehibe Maharitra sady be dia be Eo ianao vao tena hahatsapa Fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahavalo
NY FAHAVALO
Fredy Jaofera
NY FAHAVALO Ny fahavalo dia mitady izay tsy hahombiazanao fa hivarina any an-kady isan'andro vaky izao. Ny fahavalo dia mikasa izay tsy hampifaly anao, misaina izany ho lahasa tsy hitsaharan-draorao. Ny fahavalo dia maniry izay tsy hahatsara anao, mitetika avy hangirifiry amin'izay rehetra atao. Ny fahaval...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-freddy-jn/ry-tily-
RY TILY ô!
RA Freddy Jn
Mba henonao va re ireto olona marobe? Mitady anao ho namana, sy hanome tanana Sa ilaozanao variana ao anaty torimaso Sy tambazotran-tserasera izay nitombo tato ho ato?? Miandry anao ny taninao izao anio izao Ka vonona ary ve ianao hanafaka azy izao Ny Tompo no manainga anao, mitsangàna ka sahia Ny heriny no omen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tiako-fa-tsy-fantatro.-ka
Tiako fa tsy fantatro. Ka
Vetso mena
Tiako fa tsy fantatro. Ka dia nitiatia teny. Ny tokana ananako. dia ilay teny hoe eny. Tiako fa tsy aiko akory. Izay mba tiany kasaina. Ahy mantsy hono ny fony. Nefa hafa ny ao an-tsaina. Tiako fa tsy fantatro. Raha toa ka haharitra. Mety tsy izy no lahatro. Nahatonga ny anay tapitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahatanorana
NY FAHATANORANA
Fredy Jaofera
NY FAHATANORANA Ny fahatanorana no androm-pianarana tsy ho hadalana 'zay lalam-pivoarana. Ny fahatanorana no anjaram-piainana mbola andrarana ny oram-pahalainana. Ny fahatanorana no voninkazo lafatra feno hatsarana raha injao manafatra. Ny fahatanorana no antoky ny hoavy, endri-pandikana ny nofy ka lolo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/ny-eto-mahatanty
ny eto mahatanty
cedric tolojanahary
Raha toa ianao no lasa. Masìna ianao rahavana . F'izaho hanova indray ny lasa. Fa tsy an-tery ny fitiavana. Raha toa ianao nandao. Niala tsy tamana. Ninia tsotr'izao. Nisitaka sy niala. Dia...izao koa no tsarovy. Fa fiainana ny tany. Ny anio mbola hiova. Fa tsy hijanona ny omaly. Ny eto mahatanty. 'Zay re...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafanoharana/satrinay
Satrinay
Rafanoharana, Bolespara
O ry ala be tapia Eny atsimotsimo eny Foko manina ny tia O ! Henoy fa mba hiteny Iangavio ry vorondreo Raha mandalondalo any Ma hitatitra ny feo Feon’ny saraka ny akany ! Satrinay anio ihany, Tsy mba rahampitso akory Ilay fotoana tena mamy ‘Lay mpanala ny mahory. Dia ‘lay ora izay hodiana Hiaraha-mikorana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harintsoa-gasy-mpikalo/aiza-ianao
Aiza ianao
Harintsoa Gasy Mpikalo
Aiza ianao Fahasambarana aok'izany Ny teo anilanao Tambitamby teny mamy Safosafo lava izao Dia nankamamy nankafy Ity fitia adolatsento Miramirana ery Tsy mba ory tsy nisento Ianao mikatsaka ny soa Mikikitra mangina Izaho mioty voka-tsoa Mahazo izay iriana Tsy mahalala akory Izay hiafaran'ny tantàra Rerak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-hitany
REHEFA HITANY
Fredy Jaofera
REHEFA HITANY Rehefa hitany fa kotsa ny maso dia nosoritany hiala ny an-kaso. Rehefa hitany fa kivy ny tenako dia mba vitany tsy ho tangenako ! Rehefa hitany fa mafy ny adiko dia ny kintany, nitsilo ny hadiko. Rehefa hitany fa sento no teraka dia nofaritany tsy hiasa tanteraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/izany-ve-
Izany ve? ...
Cat
Izany ve ianao ilay niova fo Ilay nohirahiraina hoe olom baovao aloha Izany ve ianao ilay mba tena tia Ilay nampiaiky ny maro hoe mizara fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/ny-antsaly
Ny Antsaly
Antsa tononkalo.R
Ny Antsaly Mivetso ny omaly ny hiran'ny antsaly ka mahatorovana feno toloko nandratra ny foko; ny fahatsiarovana! Injao tafafoha ny andro taloha fa migadona ny ora O! tany Madisa ranomasoko sisa nalatsako mora! O! rivotra adala, naningotra ahy hiala fanahy sarak'aty nakipany aho, hifamahofaho toy ny r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/nilaozan-tsakaiza
nilaozan-tsakaiza
cedric tolojanahary
Oh!r'ilay volan-tomaratra. Nakaiza ary ianao no tsy hita. Fa takon'izato fahavaratra. Ny ranomaso toa mila tsy ho ritra. Oh!r'ilay kitan'ny alina. Izay takon'ny raho-matevina. Misitery tsy haiko fantarina. Hoe hatraiza no fetran'ny heriny. Oh!ry masoandro baliaka. Nakaiza ary ianao no tsy tazana. Niserana dil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/makarakara
MAKARAKARA
Fredy Jaofera
MAKARAKARA Ny azo amin'ny makarakara, mivoaka amin'ny kiloadoaka, na mamirapiratra sy tsara, ieboeboana amin'ny toaka. Ny azo amin'ny makarakara dia tsy maharitra ange, zareo, fa mbola halatra azo ambara mifono alahelo toa mankaleo. Ny azo amin'ny makarakara dia tsy mahatafita lalandava fa tsy maintsy ho ver...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/tiako-hitoetra
TIAKO HITOETRA
Antsa tononkalo.R
Tiako hitoetra, Tiako ho taratra eto ihany, ilay endrikao nalaiko sary sarisary tao an-tsaina, saina keliko marary tsy mahita anao maraina Tiako ho tononkira izany, feonao mibitsika ahy horenesiko eto hatrany amin'ny oran'ny fanahy mahafeno ny vinany. Tiako ho emboka ato am-poko, ny hanitrao mampanimbolo a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/miandry-fahagagana-sa
MIANDRY FAHAGAGANA SA...
Mikalo nantenaina
Tafita ny olona F'isika mba ahoana? Toa variana mampiteraka, An'ambatobevohoka... Nefa hatram'izao! Tsy mbola vaky ranondohany Tafita ny olona F'isika mba ahoana? Fa toa ilaozanareo, Mifanasa vangy fona! Tafita ny olona F'isika mba ahoana? Izato ianao, Toa mbola mihazoazo, Tamana fahantrana, Sa miandry f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/teny
Teny,
Antsa tononkalo.R
Ho an'i Vetso Mpamaliha Teny. . . Avelao re hamindra malako, ny harivako manjeninjeny ! Fa ny jiron'ny fanantenako dia kintana kely eny ho eny . . . Dia kintana kely eny ho eny, ny afon'ny foko tsy maty ; Tsy maty fa mbola miteny, mikalo mangina ao anaty . . . Ao antin'ny haizina ngaly, ny hirako sisa manako...