url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nisy-2
NISY
Fredy Jaofera
NISY Nisy teny tany ho any tsaroana ho nafaitra, nampirotsaka tomany sy mila ho tsy laitra. Nisy vava tany ho any namely mafy loatra, tsy zakako aok'izany sy efa nampitraotra. Nisy latsa tany ho any nankarary 'zato foko nataony lava hatrany sy mbola tsaroako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-foko-2
NY FOKO
Fredy Jaofera
NY FOKO Ny foko dia tany ambolena ny tenin'Andriamanitra hamokaran'ireo fahendrena, na hatrany an-danitra. Ny foko dia tempoly masina hihaonako amin'ny Ray rehefa irery omena hasina ny tebiteby toa tsy hay. Ny foko dia zava-tsarobidy itoeran'ity fitiavako, manana ny tiany na safidy raha faly ny tavako. Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/tano-ny-azo-fa-sarotra-ny-mila
Tano ny azo fa sarotra ny mila
RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Tano ny azo fa sarotra ny mila Izany ilay fomba fiteny hatrizay Karakarao, aza avela ho may na ho kila An'olon-droa io fa tsy an'olona iray Mifanantona dia miresaha tsara Teneno ary ambarao izay tsy zaka Avoahy daholo aza maramara Avelao izy no hamakafaka Tsy tiako ianao, halako, mandehana mandeha. Voateny dah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/kamboty-velon-dray
kamboty velon-dray
cedric tolojanahary
Kamboty velon-dray... Ao ala-trano ao. misy zaza mitalaho. Miantsoantso an'i dada. Mitomany mibadabada. Dada anefa amin'io,nirotra tsy tana. Nivoaka ny varavarana. Angamba tsy tamana, Ka nitady hafa hisambarana. Tsy mba nisaina kely akory, Fa tezitra tsy mba nitony. I Neny aza...nivonoiny. Dia iny i dada no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elie-rajaonarison-1/eny-ekeko-izany-kanefa
Mbola misy
Elie Rajaonarison
Eny, ekeko izany, kanefa mbola misy mbola misy hira tsy novetsoinareo mbola misy kalo mbola misy teny nohadinoinareo. angamba... anjaranay ? fa mbola misy hira mba satrinay hainoina mbola misy kalo mba tianay ho kaloina mbola misy teny irinay hivetsoana "ireny rehetra ireny" nataonareo amboara anaovana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/salama
SALAMA
Fredy Jaofera
SALAMA 'Zay salama tsara dia tsy mahalala fa manankarena, na efa nambara fa mijoalajoala ny soan'ny tena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/rilay-olona-iny
r'ilay olona iny
cedric tolojanahary
Fa iza loatra lahy,ilay olona iny. Tazako niserana,nandalo toa vahiny... Nanaitra ny fitiavako. Hitako sy tsapako,fa babonao ny foko. Resinao sahady. Na dia efa niady(...)niezaka ny hionona. Ny tombanao rehetra,toa satriko ho Ngononina. Sy ho kaloina an-kalo. R'ilay olona nandalo,niserana minitra. Dia dila tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/manembona
MANEMBONA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
MANEMBONA! Ny eto, efa zary fahazarana ny miaina tsy fisiana ny any! hampoka hasambarana sy miaina am-pifaliana misento, raha lavom-pahatsiarovana ny fo amam-panahy mitomany, ny endrika torovan' ireo embona sy tsiahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mena-nahoso-bato
MENA-NAHOSO-BATO
Fredy Jaofera
MENA-NAHOSO-BATO Mena-nahoso-bato 'tony fifanatonana ka io tsangambato ny fiavonavonana. Mena-nahoso-bato 'reo fifandraisana nataoko tsy hiato ka nahita faisana. Mena-nahoso-bato ny fampihavanana nodradraina in-jato hivatsy fiadanana. Mena-nahoso-bato 'lay fifankatiavana nanipazana harato fa nanavangava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-lalantsika
NY LALANTSIKA
NY HERIMAR
NY LALANTSIKA Fahiny mantsy nisy afompitia niredareda tao am-po ; Ny mandramaty, Izany no voady nifanaovantsika roa. Tsy nifankafoy ery, Nifanaraka teny foana, nifampiantso isan'andro ; Samy nankafy... Naniry ny hifankahita na alina na andro. Raha ny fisarahana? Tsy tao anaty diary fa nohalavirintsika; Fitia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manan-jo
MANAN-JO
Fredy Jaofera
MANAN-JO Manan-jo hitia ito fo maratra, na tsy mandia ny efa nihatra. Manan-jo hifaly, na voafosa lava, na navela hijaly teny lalandava. Manan-jo hivazo, na voasedra ery, na tsy voninkazo no feno hatraty. Manan-jo hitory, na singan-drery, na mbola oriory toa rako-pery !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/antampovinany-
Antampovinany !
Antsa tononkalo.R
"Antampovinany" valin-kira ho an'i Riankanto Ny Fitia noho ilay "Hampombaiko" Mangovitra hariva ny vetson'ny saiko Irery mahatsiaro eny antampovinany! Fa feno hirifiry namonto ny aiko, Ny rivo-mitsoka, miserana avy any... Avy any, nitondra ny sentin'ny fony! Tsapako anaty sy feno alahelo, Ilay hafatra hampitan'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elie-rajaonarison-1/fo-fo-fo-
Fo ! Fo ! Fo !
Elie Rajaonarison
Fo! Fo! Fo! e! e! e! Fa ny fiainana hono mandalo Ny fahafatesana indray monja ihany Fa ny kanto zareo no mitoetra Fa ny kanto e ... tsy mba manam-petra ! Fa rehefa voazara ny kalo Dia hifarana hatreo ny tomany Ka ho sambatra isika rehetra Fa ny kanto e ... tsy mba manam-petra !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lafatra/neny
Neny
Lafatra
Neny a, Toy ny hoe manofy ratsy fa omaly toy izao ianao salama tsara. Anio hariva kosa maso tsy mandainga no mahita anao mitsotra ambony farafara Efa tsy haharenesam-peo. Toa tsy mitombona amiko ny zavatra miseho Saingy indrisy anefa Tranga tena izy tsy hahafahako milefa ny fandaozanao. Neny mamy tiako a! N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soa-nampahoriana
SOA NAMPAHORIANA
Fredy Jaofera
SOA NAMPAHORIANA Soa nampahoriana fa nanefy moramora ny tokim-pifaliana hihamafy vao tanora. Soa nampahoriana fa namboatra ho azy ny lalam-paniriana tsy ho sedra feno sazy. Soa nampahoriana fa tsy nampipetraka fony tojo fijaliana na ady nahaketraka. Soa nampahoriana fa nahalalana lesona fa rehefa tsy tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandehana-ry-voromailala-
MANDEHANA, RY VOROMAILALA !
Fredy Jaofera
MANDEHANA, RY VOROMAILALA ! Mandehana, ry voromailala, mankany amin'ilay olo-malala, ka bitsibitsiho fa tsy matory ny aty ange no sady oriory ! Mandehana, ry voromailala, faingàna fa aza misalasala ; mitady azy loatra ny saina, miandry eto toa savolaina. Mandehana, ry voromailala, iny ilay tsy manan-tsahala ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-voanny-nofinofy
Ny voan'ny nofinofy
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny finiavana lazaina, Tsy voatery ho zava-misy. Maminavina ny an'ny saina, Fa ny ampitso tsy azy mihitsy. Ao sokafana ny maso, Hibanjina ny fetra. Ho volena dieny andro, Misy finiavana hisedra. Avelao izy haka-fy, Izay rehetra azony jerena. Hamadika ireny ho nofinofy, Mba ho voa azo ho volena. Ka ny mamy ve...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roland-savio-rafanomezantsoa/antananarivo-antananariv
ANTANANARIVO Antananariv
roland savio rafanomezantsoa
ANTANANARIVO Antananarivo....fiainana maro mpaniry Fianan'ireo te hikiry Fiainana tsy vita mora Tsy miresaka raha tsy misy vola Fiainan'ny saranga maro Toe-tsaina mifangaroaro Tokoa moa iza no tsy hita eto Na ny mpanana mpanefoefo Ireo be atoka mpanao afera Sy Ireo mahantra mampahonena Na aza ireo matory and...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/voasarika
VOASARIKA
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Nisy olona sendra nandalo. Fa nanaitra ny saiko variana. Ka nanery ny vavako hikalo, Hirahira mahita olon-tiana. Ry anatin`ny foko: mitsora! Mandefasa ny saina makany! Toa tsotsofon`ny rivotra mora, Dia indro fa lasa vinany. Dontodonto ny saiko manakatra, Mitsiky ho azy ny molotro roa. Fa vangian`ny fitia ten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/antsonny-nofy
antson'ny nofy
cedric tolojanahary
Antson'ny nofy Miantso anao ny hira, Anaty nofinofy. Hanambatra ny rima...ho tonga fanafody. Hanasitrana ny fery. Miantso anao hiteny irery sy... Hibadabada foana. Fa tonga ny fotoana,tsy hamelany anao hiato. Fa hanainga ny vinany. Handefa any ho any...ny saina sy fanahy. Hijoro sy ho sahy,ho tena mahatoky. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/havadika-ny-pejy
Havadika ny pejy
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Izao ny foko te hitrifana, Feno fery tsy mety sitrana; Nefa mionona aho fa izay no lahatra. Ka iza ary no omeko tsiny, Raha mahatsiaro ny fahiny, Izay mety hampalahelo sy handratra. Tsy misy, dia avelao aho hitomany, Mba hamonoako ireo vinany; Izay mbola te hihoatra ireo fetra. Eny avelao aho hamafa, Ny tsiah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/andrandram-pahafahana
ANDRANDRAM-PAHAFAHANA
NY HERIMAR
ANDRANDRAM-PAHAFAHANA Iny kintana iny Mbola antenaiko hitondra fahazavana; Izay mangirifiry Ho maim-pery, ho sitrana, ho salama. Fa i Gasikarako Hasandratro ho avo ho lany olom-positra; Tsy maintsy hisasarako, Hitady indray ny marina somary efa vositra. Folo enina nitamba-niverenam-pandresena, Folo enina nita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/hiranny-fahatanorana
Hiran`ny fahatanorana
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Reko ao anatiko ao, ilay hira fisandratana. Miantsoantso tsy voatana, ka tsy misy mahasakana. Ho voninahitra hasandratra, hihoatra izany loha. Hiderana ilay nitsangana, Zanak`Andriamanitra Tsitoha. Tsapa mantsy tao am-po, ny lanjan`ny mangidy. Izay nivadika ho soa, namatotra tadidy. Ny fiharetan`ilay Tsara, ho fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lafatra/raha-toa
Raha toa
Lafatra
Raha toa ka mbola ianao No misarangotra ao am-pony Kanefa izaho no hiarahany. Raha mbola maminy hatrizao Irony sarinao irony Na efa nisarahany. Tsy diso aho raha hiala. Raha mbola ireo dia Nataonareo etoana No tazany ety amiko Angamba tsy fitia Fa fomba handokoana Ny toerana nindramiko Tsy fahotako ny hisi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lafatra/harodako-androany
Harodako androany
Lafatra
Harodako androany ny nofo najoron'i dada sy neny.. Ary ny fo sy ny saina Avela hikoa hiaraka aminy Fa ny voambolana "miaina" Hatreto tsy reko ny maminy. Hametrahako veloma masina Iry hasambarana mpamilafila. Ho velona handia fotoana Anilan'ny izay tsy foiny any F'izaho teto nila azy foana Nomeny lamosina hat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/misy-reny-tsy-miteny
Misy reny tsy miteny
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Misy tiana tsy miteny, Fa fanina aho nitady. Volafotsy fitosiana, Mihidy anaty vatam-paty. Mikiry azy izao ny foko, Dontodonton`ny toloko. Very saina tsy mahatsiaro, Vontovonton`alahelo. Ka any hery mitomany, Sy manontany izay nombany. Reny tiana indrindra, Fa diamondrako nifindra. Ao anaty dongon-tany mifa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raki-malala-2
RAKI-MALALA
Fredy Jaofera
RAKI-MALALA Raki-malala 'tony alahelo tsy afa-miala, mamelovelo. Raki-malala ny ratram-po 'zay nanadala sy mba nanjo. Raki-malala ny ady mafy nijoalajoala sy tsy fitafy. Raki-malala ny sedra lava tsy nisalasala nanavatsava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lafatra/fongory-anaty-kajy-ny-mis
Fongory
Lafatra
Fongory anaty kajy ny misiko rehetra Dia tandrovy tsara mihitsy ny tombotsoanao Aza asiana maso ny foko manjoretra Fa mbola hitraka ihany io rahampitso tahak'izao. Tsy manda ny fombanao akory ny eto. R'ilay mitotototo rehefa tojo fahoriana Fa manafatra anao tsy hisahirana hisento Amin'ny masoko efa bongon'ny tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-fitia-sadasada
TSY FITIA SADASADA
Fredy Jaofera
TSY FITIA SADASADA Tsy fitia sadasada no aty re, ry Dada, fa 'lay tokan-doko efa hirain'ny foko. Tsy fitia sadasada na lazaina mirada fa mbola sarobidy matoa izao tadidy. Tsy fitia sadasada, hoy aho tsy lada, fa toky lalandava nahamiran-tava. Tsy fitia sadasada, na dia toa mibada, fa andry nitokiana sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nanana-amby
TSY MANANA AMBY
Fredy Jaofera
TSY MANANA AMBY Tsy manana amby ny fitiavanao ahy ka ny tambitamby, injao mampanahy. Tsy nanana amby ny toky tadiavina ka somambisamby ny lalana diavina. Tsy manana amby ny angoty nilaina, na ho rambiramby ny handrandraina. Tsy manana amby ny andrin'ny foko f'angamba damby ka inty mitoloko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/hiranny-tsy-manantena
Hiran'ny tsy manantena
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ao anaty aizim-pito misy antsam-pahoriana; Hirahiran'alahelo, izay mitady fitoviana; Hazakazaka amin'ny maizina tsy mahita ny aleha; Ambom-po tsy te hilefitra ka mihezaka mandeha. Hampiononona ny fo hisotro ny mangidy, Fa ferana ny saina tsy hitsiahy sy hitadidy. Izay mipetaka ho fery dia tsy maintsy hadinoina E...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andro-iray-tsisy-tsiky
ANDRO IRAY TSISY TSIKY
Fredy Jaofera
ANDRO IRAY TSISY TSIKY Andro iray tsisy tsiky, andro iray mampikiky 'rony sedra nolalovana efa lasa fahatsiarovana. Andro iray tsisy tsiky, andro iray mampaliky ny adidy 'zay sahanina, indrindra raha manina. Andro iray tsisy tsiky, andro iray tsy vikiviky amin'ny asa isasarana, n'inona re no anarana. Andro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ry-lehilahy
RY LEHILAHY
NY HERIMAR
RY LEHILAHY Manafatra aho ho antsika lehilahy, Ny vehivavy lehiretsy mila tambitamby; Izy mitia tsy asiany ahiahy ka aoka atsaharo ny resa-bandivandy! Io vehivavy io: Mila fanajana tsy tokony hoalikaina; Izao no tadidio: Izy kibo nifonosana nahatonga anao niaina. Tsy ny fivaviana no mahaolona azy, Tsy ny hats...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/diso-tety
Diso tety
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Mety isika diso tety, Tsy nahavanona ny mety. Hafaliana no nantenaina, Fa alahelo no jinjaina. Fandresena no tinady, Fa faharesena no voahady. Very saina fa voaratra, Ka mitady izay mba hiantra. Dia mihezaka hanamarina, Amin`ny teny namboamboarina. Ny hadisoana, fa tsy maintsy, Hafenina ny voka-dratsy. Fa i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/fifandraisana
Fifandraisana
Randja Zanamihoatra
Ny hira tsara indrindra vitako hatrizao Dia 'lay tsy misy teny, tsy misy feo henoina Kanefa ren'ny fo sy ny eritreritrao. Ny tsara kanto indrindra niezahako nitady Hatrany anaty rovan'ny misy tsy manoina Dia ilay tsy mbola tratra fa anananao sahady. Ny marina tokoa nirina mba hambomba Ny fahatakarantsika misaina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/lany-jiro
LANY JIRO!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
LANY JIRO oh, tapaka ny jiro ato an-tranonay ilay kaly mba natsiro indrisy fa dia may moa nahoana kosa f'angaha moa tsy voaloa, sa nivadika ho trosa ireo fakitiora teo aloha? ao anatin'iray volana hofan-jiro roa no tonga, izao no mba vahaolana omenareo mpitondra eny e, akory moa atao fa io dia anareo. fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ry-ray
Ry RAY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Ry Ray! Ray o! miarahaba Anao izahay ny nahatsaranao indray izao fety maminao izao, tsy hoe akory anganongano fa Ianao no loharano nipoiran'ny tantara koa isaoranay Ianao fa tolo-tsaina avy Aminao no nahafahanay mifety
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahafatesana
FAHAFATESANA
Fredy Jaofera
FAHAFATESANA Ny fahafatesan'ny raiko no alahelo voalohany tsy nitomaniako teo imasony tsy maintsy nozakaiko, na dia tsy ho tohany fa efa fahoriako ny torimasony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/i-dada
I Dada
voatsinampy
Nahoana aho no tsy hanoratra Mba hiseho ho Poety Aleo koa ny tenanay,mba hanoratra hiventy Dieny mbola velona izy dia aleo 'zahay hibada sy handroso tononkalo ,izay momba anao ry Dada NY ANAY NY DADANAY HOY IANAREO? RAHA VAO MIANTSO IZY MAMALY TOA TSY TEO VAO MAIZIMAIZIN'ANDRO TSY MAINTSY MODY AN-TRANO KA ZO...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/ary-nihira-aho
Ary nihira aho
Randja Zanamihoatra
"Ahy ny malalako ary azy aho" ...Tononkira 2, 16 Tsy ny maraina maharavo na ny rado volamenany Fa ny tapaka andro monja no voatokana honenany Tsy ny hariva mahamanina ary koa ny tononkirany Fa ny alina mangina no voahomana hidirany. Tsy ny lapa soa mirenty saininao ho fanaperana Na ny harena mahavita araka ny fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/tsiriry-nilanona
Tsiriry nilanona
Johanesa Rakotovao, mpitandrina
«Aza tama-dion-danitra, fa ny andro tsy mandrahona no morana» Indray lohataona mangotraka mafy, Rehefa nandany ny vary nafafy, Nataony mariry, Dia lasa nivory tamoron' ny ony, Nitsoka filiotra, nanezaka ambony, 'Zarony tsiriry ! Nampiady hatsikana ; samy variana, Fa izay no fotoana famalifaliana, Fanaovana sasy!...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hasambarana
NY HASAMBARANA
Fredy Jaofera
NY HASAMBARANA Ny hasambarana dia avy hisoko any anatin'ny onja rehefa hisantarana ny efa ninoako fa tsy nofy monja.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/taratasy-sy-laoka
Taratasy sy laoka
Randja Zanamihoatra
Any Raoba mianakavy ampita lavitra tsy tazana Izay nifindra monina ela nahafoy ny tanindrazana Manao ahoana, ho'aho, inona e ny vaovao Fa izahay rehetra aty salama tsara hatrizao. Efa firy izay ny ankizy tsy mba mahalala havana? Ary akoatr' izany indray, mety va ny fitadiavana? Eny iky, ho'aho, rasena, ela i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-tena-tia-ny-tanidrazany-
NY TENA TIA NY TANIDRAZANY ?
AORN
NY TENA TIA NY TANINDRAZANY ? Ny tena tia ny tanindrazany ? Dia izay olona manaiky Fa misy maro tsy an-kanavaka Ny Malagasy toa an’azy Manan-jo haneho malalaka Izay ahafahana miteny… ka tsy izany fotsiny ihany Fa izay tena resy lahatra Hiaro tsy mihambahamba Izay tombontsoa iaraha-manana Ho mariky ny fihavan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/ilay-fireneko
Ilay fireneko
Tsiky dia ampy
Norabirabian'ireo mafy loha Nandray fanjakana Ilay fahendren'ny ntaolo taloha Nampiray tanàna Ka nanjary nisy mpanjaka sy andriana Dia ry zareo mpandresy Nisy ny hova, ny andevo tsy tiana Niaritra eso. Dia nofetsifetsen'ny mpanjana-tany Mpandroba harena Nitondra Fivoarana hono izy izany Ho fanangolena Dia i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vavaka-2
NY VAVAKA
Fredy Jaofera
NY VAVAKA Ny vavaka no mandan'ny fo manafaka ny zava-manjo ! Ny vavaka no tokin'ny alina sao lavaka no ho kizo lalina. Ny vavaka no herin'ny saina manavaka rehefa antenaina. Ny vavaka no jirom-panahy miravaka ny irina sy miahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zazangaly/fihina
Fihina
Zazangaly
VELOMA teto imolotro no natolotro, fa ny azy: tsy nampoiziko FIHINA. Tsy misy alaharo Tsy mila atsaharo. Fa fihina. Fa namihina izy Satria fihinany Hono aho. Fa namihina izy Ka... Ny foko dobodoboka Fa matimatin'oroka ny molotro nokaikeriny. ny vatako , natolotro notairiny tamin'ny tanam-pelipeliny. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zava-dehibe
ZAVA-DEHIBE
Fredy Jaofera
ZAVA-DEHIBE Tsy misy mahasolo an'ilay ray malala fa zava-dehibe, na hifohafoha volo sy hahalasa adala ny fiainana re.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-misy
TSY MISY
Fredy Jaofera
TSY MISY Tsy misy tombo sy hala i Dada sy Neny fa samy 'reo olo-malala nitia lavareny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/mahatsiaro-va-ianao-
Mahatsiaro va ianao ?
Randja Zanamihoatra
[Nihevitra ny andro fahiny aho. Sal. 77.5] Eny, paohin’ny fotoana ny andro mamy sy baliaka ; Ny alim-pito sy mangina, ary koa ny tenantsika Nefa tsy ho tapitra eto ny maraina vaovao ! Eo am-pitsinjovana azy, " mahatsiaro va ianao" ? Iry ny toerana fahiny !... eny, ilay niriariavana ! Ao ny fara vetso, angamba, n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/diniho
diniho
cedric tolojanahary
Diniho... Aza dia manao, Ririnin-dasa tsy tsaroana e! Ka tsy hamakafaka, Izay mihatra sy midona. Diniho aloha ny anio, Ny ampitso koa hevero. Dia 'zao no tadidio fa... Ny ady mila hery. Mila herin-tsaina, Sy mila tanjam-po. Tsy hila anao malaina fa... Mikiry anaty fo. Dia izao no aza hadinoina, F'ianao m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fijaliana
FIJALIANA
Fredy Jaofera
FIJALIANA Fijaliana ny mitia olona tsy ho azo ; faharariana mampahia na mety ho tazo !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/vovoka
vovoka
cedric tolojanahary
Dada (Vovoka) Narodana tsy mba navela. Ilay hany tandindon'i dada. Ilay sary efa trotraky ny ela. Rotidrotika sy ravarava. 'Lay niserana teto anatrehako. Najary nofiko an-kehitriny. Ilay hany mba ho reharehako. Nalevin'ny lasa fahiny. Tsy. navela ho hitako akory. 'Lay hany masoandro maraina. Tsy ho hitany m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/varavarana-fidirana
Varavarana fidirana
Randja Zanamihoatra
Ô mpamaky, Saina izao ny tany Ny tany anefa hira Maneho ny hadalany Nataony mba ho sira Fa tany zao ny Saina Ny Saina anefa hery Manosika ny miaina Hanody izato fery Fotoana iray, tanteraka Dimbiasam-baovao Ary Indro indray ateraka Izao tontolo izao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-teny-malagasy
NY TENY MALAGASY
Fredy Jaofera
NY TENY MALAGASY Ny teny malagasy, tsarovy re ho sasy, no efa niandohako ka hany fiafarako. Ny teny malagasy, mainka mahakasy fa teny lafo loatra afaka hampivoatra. Ny teny malagasy no laza sy mba asy feno ny hatsarany mamiko aok'izany. Ny teny malagasy, ataoko foana rasy fa harena sarobidy katsahin'ity...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yajh-ah/soa-ihany-misy-anao
Soa ihany misy anao...
Y'ajh ah
Soa ihany misy anao, mba namana itokisany Mahafantatra ny aminy ka henoiny teny Fa raha izaho manokana, matahotra ny ahiliny ka hanafatra anao no sisa hany hery Mahery saina aho, fa kanosa anatrehany Ny hifanatri-tava aminy aza, tsy vitako akory Matahotra ny foko, sao ka hopotehiny Tsy ho rarahiany, na valiany m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-rabarijaona-louis/vetsonny-manina
Vetson'ny manina
Rakotomalala-Rabarijaona Louis
Eritreritra miampita no manainga ny vinany Mba hanembona mazàna'lay akany nisehoana, Ka ny foko manina azy dia misentosento foana, Saingy tsy afaka manoatra noho ny elanelan-tany. Eritreritra miampita no manintona ny foko Ho eo an-dapan-drotsirotsy fitobian'ny hava-maro; Dia mandefa vetsovetso'zany saina mahatsia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tsiaro-ani-neny
TSIARO AN'I NENY
Rasamindrakotroka Andry Tiana
I Neny, ilay hany nitondra, sivy volana tao an-kibo; ilay niankin-drindrina irery, no tsaroana ankehitriny, mitamberina ao an-tsaina. Sarobidy noho ny diamondra, anaty "raoby" toa nifehikibo, moa va re tsy toy ny anjely; maotina tsy nanan-tsiny, ary tena narani-tsaina. I Neny, izy ilay nikolokolo, nijery iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sahoby-ratsimbazafy/neny
Neny
Sahoby Ratsimbazafy
Andro iray toa manan-danja Aminay tokoa anio Fa toa voahirana mifanja Tsy handrenesanay tadio Totorebika ny fo Miramirana aoka izany Satria ilay nipoiranay tokoa No ventesina eto androany Koa arahaba mamy loatra No ventesinay ry Neny Ity fo toa te hotroatra Hitotorebika, hiteny Arahaba hafa kely Fa tsy vol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/miezaha-aminny-herinny-tena
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Raha dinihina mantsy ‘reo andro niainana, na ireo lasa izany, na ny ankehitriny, miampita lavitra tokoa anie ny fisainana, tsaroana avokoa hatramin'ny fahiny. Raha tonga ny andro ilam-panampiana; ny akaiky angaha ho rototra amin’izany, sahiran-dava, be ny zava-nahasondriana, sy nahavariana amin'ny fiainana an-ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tsiron-dray
NY TSIRON-DRAY
Fredy Jaofera
NY TSIRON-DRAY Ny tsiron-dray dia fahatsorana tsy indraindray rehefa nizorana. Ny tsiron-dray dia fananarana mety namaivay fa namaharana. Ny tsiron-dray dia fahazavana tsy mivoy inay na fahadalana. Ny tsiron-dray dia hamamiana maro be voaray, na dia mangina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/volamena
VOLAMENA
Fredy Jaofera
VOLAMENA Volamena ao am-po ny raiko na harena tsy ho lo ka lalaiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sambatra-2
SAMBATRA
Fredy Jaofera
SAMBATRA Na ratsy aza ny vintana ka tsy ahitana fintana mitobaka hanjonoana ny tiana ho haravoana dia sambatra aho, malala raha eo ianao tsy miala. Na ratsy aza ny andro, toa tsy be masoandro mitondra ny hazavana sy izay mbola hafanana dia sambatra aho fa arira raha eo ianao mba mihira. Na ratsy aza ny lal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/arakaraka-ny
AHATONGAVANY
Fredy Jaofera
AHATONGAVANY Arakaraka ny mahakivy no ahatongavan'ny fahakiviana ka mety hahararaka ivy sy hiafara amin'ny fanaviana. Arakaraka ny maharesy no ahatongavan'ny faharesena tsy nampoizina hisesy rehefa oriory sy toa sorena. Arakaraka ny maharavo no ahatongavan'ny haravoana fa tsy ny zava-nandavo nanelingelina t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/misy-ora-toa-izao
Misy ora toa izao
Arison Jaha
Raha baliaka ilay masoandro, Ary ny andro lohataona. Nefa tsy hitanao imolotro, Ilay fitsikiko isan’andro. Raha ilay raozy mena tiako, Manosaka ny hatsarany. Nefa jery vasobasoka, Tinazanao imasoko eo. Dia hiangaviako ianao Ho tony, Tsy hanova kely akory, Ny fihetsika mahazatra anao. Tiana, Misy ora toy iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-rabarijaona-louis/dieny-mbola-velona-aho
Dieny mbola velona aho
Rakotomalala-Rabarijaona Louis
Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko, Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko: Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako. Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako, Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako: Gasikarako malala dia voasokitr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elie-rajaonarison-1/hiteny-aho-hiteny
Hiteny aho, hiteny.
Elie Rajaonarison
hiteny aho, hiteny fa eny rehetra eny toloko-mena fify, miafitr’eny imason’ ny zaza tsisy reny fa eny rehetra eny mangidy tora-jofo misosok’eny an-koditry ny zana-drenireny mangidy mialin’andro tsihifiny isan’andro fa tsy mba mety ritra… hiteny aho, hiteny… tsy miaina izany ianao mangidy maizin’andro mihan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/redy-rovitra
Redy rovitra
Elie Rajaonarison
REDY ROVITRA fantatrao ny fahalemeko fantatrao fa … ho inonao ny Lanitra iny nofefeko ho kianja fihasinanao fantatrao ! fa ho inonao fantatrao ny firedeko fantatrao fa … ho anao ny Tontolo efa nekeko ho kilalao an-tananao fantatrao … fa ho anao ! mitosaka mangina ny Alina eo imasonao ny angola maninteraka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiaro
TSIARO
Fredy Jaofera
TSIARO Ny fiainan'ny maty dia mitoetra any amin'ny tsiaro, mamoha ato anaty 'zay tsetra mirongatra maro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/tsindrom-pitia
TSINDROM-PITIA
Zoky Eric
Tsindrona ity fo Fa nahita olon-droa Mifampiondakondana ery ampita ery Samy miangola miantso hoe "cheri" Izaho tsy te hijery Satria izaho irery. Ka iny aho no lasa namonjy ny ankany Tsapako nanindrony ny ati-foko izany. Dia inona ary Sa hijery sary ? Hijery sarimihetsika hanalana sorisory Eo ambony fandriana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/embona-ani-dada
EMBONA AN’I DADA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
I Dada ve, lehilahy sarotiny, tam’izay nety ho fianarana ; nataony làlana nosoritiny; anaty rijam-pananarana. I Dada ve, ilay tia fihavanana, nampianatra, nanabe hatrany, mba hiantra ireo tsy manana; fa tsy ny ho an’ny tena ihany. I Dada ve, ilay tena niaro, raha sendra nisy ny olana; tsy tia ny nampifangaro,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arison-jaha/ilay-marina-ao-anaty
Ilay marina ao anaty
Arison Jaha
Azonao atao ny manisy sira, Mitafy loko hafa, mirenty dinta manitra. Azonao atao mihosotra lasira, Mirongo ireo filiro manendrika salanitra. Mety ho vitanao ny tsiky tsara sary, Mety ho vitanao ireo teny lavorary. Fa raha mbola misy fo, tepo tsy mba maty, Dia mbola hisy ora, hirongatra tsy nahy Ireo marina ao a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lehilahy-2
LEHILAHY
Fredy Jaofera
LEHILAHY Ny ray no lehilahy sarobidy aok'izany tsy foiko fa miahy ny tena eto an-tany. Ny ray no lehilahy soa azo iankinana raha ketraka, lahy, na lavi-pidinana. Ny ray no lehilahy tsy sasatra mihitsy ho antsika ka sahy miasa raha hanitsy. Ny ray no lehilahy tsy hay hosoloina, mamono ny ahiahy raha indr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/vokoka-ilay-vakoka
Vokoka ny vakoka.
Ikalamako
Hoy ny filoha hoe : Ho atsangana ny Kianja Hamelomana tantara. Saingy... Tanaty kianja toa an'io Tamin'ny andron'ny romanina 'Zareo glady mahafanina Sy bibidia tsy saozanina No nifanjevo nifanandrina. Ka tao no nahitany farany Ny anjara Masoandrony. Vokoka ny Vakoka ! Tsy mivavaka ny vovoky Ny lavenona nil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/te-ho-reny-anefa
TE HO RENY ANEFA...
Fredy Jaofera
TE HO RENY ANEFA... Te ho reny anefa menatra aho rehefa ny tena ka tra-boina fa tsy azo nantsoina. Te ho reny anefa tsy any no miantefa ny toky nokatsahiko nofisin'ny fanahiko. Te ho reny anefa tsy nahay nandefa ny tsirom-paradisa nilaina tsy hita isa. Te ho reny anefa tsy hita ho nahefa ny adidy notakin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roland-savio-rafanomezantsoa/dada-sy-neny
DADA SY NENY
roland savio rafanomezantsoa
O ry tanora ambarako ombieny Mba henoy neny rehefa miteny Mba tsarovinao ry sombinaina Ireny hafatry dada ataovy antsaina Io dada sy neny io tsy mba manary Niaritra hatsika ho an-janaka ihany Be herim-po fà tsy mba mitaraina Na oram-panala na andro migaina Fony ianao mbola menavava no efa niafiny Tsy mahatombo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/ny-fahalalana
Ny fahalalana
RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Ny fahalalana Rehefa azo ianao tonga dia mipetraka Afaka antsoina rehefa ilaina Tsy misy anao tokoa mantsy toa ketraka Satria ianao no ilain'ny saina Ny fahalalana Eny rehetra eny dia mety ahazoana anao Amin'ny alalan'ny vavahadin-tsaina rehetra Ka rehefa mitoetra tsy mety lao Fa ny fikajiana azy no mametra N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsisy-fotony
TSISY FOTONY
Fredy Jaofera
TSISY FOTONY Ho anao, tsisy fotony fa ho ahy, misy dikany ny voady raha tokony hokoloiko ny pikany. Ho anao, tsisy fotony fa ho ahy, misy lanjany raha kanto ny lokony mameno ny kianjany. Ho anao, tsisy fotony fa ho ahy misy mamy, na io ny vokovokony tsy iriko ny ho tamy ! Ho anao, tsisy fotony fa ho ahy, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/tiako-be-i-mama
Tiako be i mama
RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Tiako be i mama Tiako be i mama Mamy ny eo anilanao Izay misy anao mahatamana Ka sarotra rehefa mifandao Voatambitamby, notoloranao fitiavana Voakolokolo, nofenoinao anatra Ianao no antsoiko hoe fahasoavana Mpiandry nomen'ny lanitra Tiako anie izany ka tiako e Tsy misy toa anao eto an-tany Ianao no fifaliako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tanisoa/tahakizay
TAHAK'IZAY
Rakotoharisoa
Tahak’izay aho rivotra ka nirenireny Nanjohy anao foana teny rehetra teny Tahak’izay aho rano lasa nikoriana Nisafo ny endrikao raha sendra fahoriana Tahak’izay aho alina mampatory anao Tahak’izay aho andro mifoha ho anao Tahak’izay aho volana dia nanazava Ny alinao ry tiako, baliaka lalandava Tahak’izay aho hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/ny-teny-malagasy
Ny teny malagasy
RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Ny Teny malagasy Ny Teny malagasy Kanto dia kanto Teny ahitana karazany maro Tsara daholo samy manana ny mampiavaka azy Ka ao isika ho samy saropiaro Ny Teny malagasy Maneho ihany koa ny kolon-tsaina Azo sokajina ho harem-pirenena Sarobidy loatra, tsy azo tsapaina Mbola mihoatra noho ny volamena Ny Teny mala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/tsy-mbola-fantatra
TSY MBOLA FANTATRA...
Mikalo nantenaina
Efa an-taonany maro izay, No niandrasana ny rariny, Nefa hatram'izao... Tsy mbola fantatra ny marina. Nodorana ny rova, Sy 'zay rehetra mba aminy... Nefa hatram'izao... Tsy mbola fantatra ny marina. Ny taona faly mifandimby Mikosoka ny lasa Kanefa hatram'izao... Tsy mbola sitrana ny ratra. Lasa ihany ny eri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tanjona-tsara
TANJONA TSARA
Fredy Jaofera
TANJONA TSARA Ny hiady varotra, tsy loha na mba tetika rehefa haka amboara ; ny lalana sarotra dia mitondra matetika amin'ny tanjona tsara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/fahaleovantena
Fahaleovantena
RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Fahaleovantena Fahaleovantena Fahafahana mizaka tena irery Fisarahana tamin'ireo nanjanaka Ireo izay nampitondra fery Ka izao mbola lovain'ny taranaka Fahaleovantena Saritsariny ihany Satria toa mbola miankidoha Izay mitondra tsy hita ny fahefàny Nampatoriana dia tsy nifoha Fahaleovantena Na dia eo aza izan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roland-savio-rafanomezantsoa/mitonia
Mitonia
roland savio rafanomezantsoa
Zary herikerika ririnina Ity foko mba nitempo fitia Ihany nandalo niserana indray maraina Ilay fitia noheveriko mba ho doria Ka izao leitsy ry foko mitonia Izy iny mantsy tsy natao ho anao Mikipia dia etsy matoria Ka toizo sy raketo anaty nofinao Ireo izay vita sy kinasa Mantsy ianao anie voafafa e Intsony ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fifankatiavana
NY FIFANKATIAVANA
Fredy Jaofera
NY FIFANKATIAVANA Ny mamy nandiavana, toy iny raozy nialana : tsy hipoitra ny fanjany raha mitsimoka irery fa ny fifankatiavana, toy ny fahasalamana : tsy hainao ny lanjany raha tsy efa very !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tanisoa/tsitsio-ny-rotsa-kazo
TSITSIO NY ROTSA-KAZO
Rakotoharisoa
Tsy mba taiza ny mikapoka ny menaky ny aina Herisetra sy famaizana, fiadian’ny kely saina Midaroka ny kely, manampatra ny heriny Marary anie ny ankizy, ka lozanao ny feriny ! Tsy misy teny ierana, tsy misy adi-hevitra Dia resy indray ny kely, dia izy no mandefitra Satria maditra, fetsy ratsy, na hoe be sitra-po ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-rivotra
NY RIVOTRA
Fredy Jaofera
NY RIVOTRA Misovoka ny mpanorisory fa 'lay fitiako tsy hiofo, na ho bitika monja ; tsy ny ranomasina akory fa ny rivotra mifofofofo no mivimbina onja !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tanisoa/tsy-maty-ianao
Tsy maty ianao
Rakotoharisoa
Tsy maty ianao fa tia tena ka nanapaka irery F’izao isika sy hatrizay dia hanao fangala-piery Ka voatondro aho hitady sy hikaroka anao Eto anivon’ny tontolo, eny izao tontolo izao Eny anaty abakabaka, any anaty rano lalina Vao mifoha , tatao vovonana, hatramin’ny misasak’alina Eny Ivohitra, an’ala, any anaty loha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.j-prisco/tsy-sahy
TSY SAHY
R.J Prisco
Anatiny alina mangina Mieritreritra an'olotina F'iza loatra ianao No mamp'jaly toy izao Tsy mampatory alina Fa mampifoha maraina Mampiady mafy ny saina Mankarary ny aina Tsy ho vitako ny hanambara aminao Hoe tia anao ry malala Fa sao dia lavinao Ka hah'lasa adala Ka aleo koboniko ho ahy 'rery Nefa toa tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/pentekosta
PANTEKOSTA
Fredy Jaofera
PANTEKOSTA 'Zay nandray an'i Kristy, nahazo ny Fanahy ka tsy ho lavo fa satria efa olona voatahy. 'Zay nandray an'i Kristy, nahazo famonjena, ka tretrika eto, matokia, fa tojo fandresena. 'Zay nandray an'i Kristy, nahazo famelana ka mahery vao nandia lalam-pitsapana. 'Zay nandray an'i Kristy, nahazo fiada...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miaina
MIAINA
Fredy Jaofera
MIAINA Raha maloka ianao dia miaina ny Lasa ka mihevera fa sao ny sento no hiasa ! Raha be ny ahiahy dia miaina ny hoavy : ny tebiteby no sahy hitondra eto hanavy. Raha mitony ianao dia miaina ny anio, metimety ny atao ka ny misy, itsikio.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/jesoa-no-maniraka
Jesoa no maniraka
Karako
JESOA NO MANIRAKA Aza kivy ry sakaiza fa miasà mafy Mamafaza voa f'izay no anjaranao. Izy mampitsimoka ny voa izay afafy Izy manome hery hanefàna izay atao. Fiv : Jesoa no maniraka antsika ka andao : “Ataovy mpianatra izao rehetra izao” Hirao am-pifaliana ny famonjeny, Derao ho ren'ny maro ny fandreseny ! Taf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiovanny-tena
FIOVAN'NY TENA
Fredy Jaofera
FIOVAN'NY TENA Ny fiovan'ny tena no ilaina indraindray fa tsy ny fiovan-javatra vao ny fandresena no ho hita amin'izay hampiravo eto fatratra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/poezita/teny
**TENY**
Poezita
**TENY** Ilay penina. Izy no ampita, ny tsy sahiko tenenina ! Ho to sy vita ! Teny be mpilaza, efa be mpanao. F'izaho tsy kalaza ! no tsy mpilalao ! Tsy mifidy loko ! mainty , mavo... na koa hoe:foko ! iva , avo... Teny litera hety ! R'alaoky ny vava. Manova endri-betivety ! alahelo na hafaliana lalanda...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fianakaviana
NY FIANAKAVIANA
Fredy Jaofera
NY FIANAKAVIANA Toeram-pitiavana ny fianakaviana feno fahasoavana sy ireo fifaliana. Toeram-piadanana ny fianakaviana, toky hananganana ny firaisan-kina. Toeram-pivoarana ny fianakaviana mety azo ianarana ny tanjona tiana. Toeram-piarahana ny fianakaviana vao hita mibahana 'reo hamamiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/soa-fa-nofy
SOA FA NOFY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
SOA FA NOFY! malala a, aza atao mahasaro-piaro raha izao lazaiko izao aoka ianao ho tony ary aoka tsy hisendaotra ny amin'ny zavatra lazaiko fantatro eto mantsy izay mety ho hatezeranao. nandritry ny alina tontolo dia nisy tovovavy iray tafara-dalana amiko tovovavy tena manja tsara sady raitra meva sady k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiar.s/amorony-fo-madio
Amorony fo madio
Tsi'AR.S
Rehefa iny aho, mavesatra sy malahelo noho toe-javatra miseho Noho ny amin'ny hafa, sy ny amin'ny tenako ihany Mahatsiaro ho tena voagejan'ny halahelo Tsy mitombona ny saiko, fa te hitomany, tsy mahatelin-kanina Te hipopopo hoe inona re no atao? dia mitomany Mitsahatra kely dia mivavaka ahazo hery Voageja manodi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiar.s/ilay-jesoa-fitiavana
ILAY JESOA FITIAVANA
Tsi'AR.S
Aza gaga f'Izy miasa Mety izy hanafay Mety izy hananatra izay ilay Zanaka, sy Ray Soli Deo Gloria
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiar.s/tia-anao-jesoa
TIA ANAO JESOA
Tsi'AR.S
TiNy ianao (na dia...) Manao tsy nahy Ireo mandratra fa... TiNy tsy amin'ahiahy aza malahelo... Fa TiNy ianao (na dia...) Minia ianao mandika Ireo lalany, ireo didiny Mitady ianao irika an-tery , tsy ijery TiNy ianao, (na dia...) Diso lalana aza TiNy ianao na dia... Gejain'lay satana