url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/aoka-izay | Aoka izay | Nofy2 | aleo hibaribary
rehefa tsy manjary
no sady mankarary
lazao an-karihary
aoka izay ny hetsetra
ataovy antery setra
araho amboletra
fa tapitra ny fetra
lazao am-poto-tsofiny
potsiro hatramin'ny fotony
aoka ho sarotiny
fa efa be ny lotony
aza manaiky resy
fa aoka isika ho fetsy
ka tonga ho mpandresy
amin'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiar.s/aokizay | AOK'IZAY | Tsi'AR.S | Aok'izay ry molotra!!! feno faharatsiana loatra ianao
Tsy fantatrao ve moa fa iny ihany no ideranao lay Tsitoha?
Tsapanao ve fa ny avokan'reo no mamaritra ny anatinao rehetra
Lasa simba mihitsy anie lay maha tempoliNy anao e!
Matoa izy iny tsy mamoka afatsy bala ratsy
Dia ny saina sy fo mintsy izay no efa tena rat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-sakaiza | NY SAKAIZA | Fredy Jaofera | NY SAKAIZA
Ny sakaiza
dia fianakaviana
voafidintsika
afa-mitaiza
ny firahalahiana
tsisy tomika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiar.s/kristy-no-antony-ahavelomako | KRISTY NO ANTONY AHAVELOMAKO | Tsi'AR.S | Tsinjoko etoana fa maro to ahy
No mitaintaina sy te itomany
Areti-mandringana no eto anoloana
amorika ahy ary izy ty sa ahoana?
Toa malemy tolefika ny saina sy fo
Raha ny maha olona ahy moa inona tokoa?
Adinoko ve fa Jesoa eo Izy?
Raha ny ato-pisiako dia tsy iza fa Izy.
Naverin'ny Tompo izaho sy ianao
Manoloan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hafa-fandry | HAFA FANDRY | Fredy Jaofera | HAFA FANDRY
Mafy ny mandeha
rehefa te hijanona,
mafy ny mihomehy
rehefa te hitomany
fa zakaina eto ange
mbola hahavanona
ny ora izay mifehy
ka hafahafa ihany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/vavaka-2 | VAVAKA 2 | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | vavaka
Tompo o!
hiantoraka amin'iza,
ny nofo mora lefy?
ary ankinina amin'iza
ny vavak'olon-dresy?
Ianao irery ihany
no hany fanavotana
Ianao hatrany hatrany
no hany hisarongotana
Aza avelanao ho fefika
ny tanindrazana malalako
Aza avelanao ho rendrika
ity nosindrazako
mba hamindrao fo
fa misedra zava-ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miala-mangina | MIALA MANGINA | Fredy Jaofera | MIALA MANGINA
Tsy nitokiana
matetika moa
fa sao marikivy
ny paoma ka miarina !...
Miala mangina
no tiako kokoa
rehefa mahakivy
sy tsy hay anarina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fianakaviana-14632 | MIRAY HINA | Fredy Jaofera | MIRAY HINA
Tsy fianakaviana lafatra
no zava-tadiaviko
fa fianakaviana miray
azo ambara ho fitaratra,
mivoy ny hoaviko
hitony eto amin'izay ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/poezita/lasitra | LASITRA | Poezita | LASITRA
Danika migaina,
ando ny maraina,
hay karakaina,
darok'aina !
Orana no ilo,
kotro-midridrangilo,
tsela-mankadilo,
tsindro-tsilo !
Riaka lafi-bolafotsy,
rivo-bodofotsy,
tadihom-boropotsy,
namam-panamotsy !
'Reo no rindrina,
tana-mivimbina,
fiaro tsy hitsingidina,
fehin-tsikina !
Ravak'ambozonana,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/dimampolo-taona-2 | DIMAMPOLO TAONA | Fredy Jaofera | DIMAMPOLO TAONA
Dimampolo taona
ny fahaleovantena
nefa dia eto foana
sy mampahonena
‘lay Madagasikara
mitady fahafahana
miha-mizarazara,
na tsy mibahana.
Dimampolo taona
no tsy voazanaka
nefa mbola naona
‘reto izay taranaka
nanantena hatrany
ny fiainam-baovao
teto amin’ito tany
nolaroina raorao !
Dimam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiar.s/miakina-aminandriamanitra | MIAKINA AMIN'ANDRIAMANITRA | Tsi'AR.S | Tsy misy maniry ady, aretina, fantiantoka
Fa ndeha ho fadiana ny filana any an-kafa
Fadio dia fadio...
Fadio dia fadio re... ny
Filana hery ivelan'ny tena mba hanafaka
Fiantorahana amin'ny sampy...
Mpanandro, mpisikidy, mpampita fanahy,
Mahatonga loza reny fahapotehim-panahy
Ity aza ariana fa tena hifikiro
Vak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lalandava | LALANDAVA | Fredy Jaofera | LALANDAVA
Eto fa tsy aiza
efa mamintana,
na dia moana
tsy hita tava !...
Ny tena sakaiza
toy ny kintana :
tsy tazana foana
fa eo lalandava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-fantatra | REHEFA FANTATRA | Fredy Jaofera | REHEFA FANTATRA
Aza mitsahata
miomana ange
tsy ho entin'ny riaka ;
rehefa fantatra
ny lalan-kaleha
vao lasa lavitra isika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/hamono-tena-aho-2 | HAMONO TENA AHO 2 | Zoky Eric | -Fa inona ity atao,fa toa faly ery ry bavy ?
-Mandoalika mibitaka, toy ny olona voasazy
-Mbetika mitsangana,mbetika mipetraka
-Avy any ampiasana anefa tsy mba valaketraka.
Hafa mihintsy ny androany, hafa mihintsy oa
Tao anaty bus izaho, no nahita tovo lahy
Tovolahy bikana no sady tena tsara kata
Resiny ny fo ka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dan-mandimby/any-izay-malala | Any izay malala! | Dan Mandimby | Any izay malala,
Herinandro izay…
Herinandro iray!
Herinandro no...
Nandaozany ahy.
Androany aho, …mahatsiaro
Ireo sangisangy maromaro
Androany aho, manimanina
Ireo angolam-pitiany, tsy ankijanona
Omaly ihany koa aho, tomany.
Omaly ihany koa aho, nijaly.
Omaly ihany koa aho… narary.
Teo ampijerena ilay sary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/tsy-hay-vonoina | TSY HAY VONOINA | Zoky Eric | Tsy mety lefy ato ampoko ny fitiavako
Mikiky ny ati-foko,manamaloka ny tavako
Tsy mety haiko ny mifehy ka hoe handao
Na dia hitako aza fa lasan'olon-kafa ianao.
Efa nasehonao ny masoko,fa efa lasa ianao
Navelanao ny foko fa ianao nifidy vaovao
Nefa tsy haiko ny hanadino ireo lasatsika
Toa satriko indray hanafana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/meteza | Meteza | Nofy2 | meteza ianao ry foko ho tony lalandava
fantatrao mantsy fa mbola be ny hitranga
aza mitroatra loatra na inona miseho
na tena fifaliana na loza sy toreo
meteza ho mora atoro sady be fitiavana
na ho an'ireo namana, tsy adino koa ny havana
aza mora tezitra na koa hoe misendaotra
aoka ajanony, tsy dia mahatsara loat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ato-an-tranoko-ato | ato an-tranoko ato | Nofy2 | tao an-tranonao aho Ray
tonga hangata-pamelana
noho ny habehan'ny fahotana
fa raha iny aho ka nipetraka
niaraka amin'ny entan-keliko
indreo ny olona niresaka
noho ny kibo tsy nafeniko
sady koa nikimokimo
nifosafosa ahy ireo mpino
nianalavitra ahy ny maro
ary koa nihatakataka
fa izy ireo mantsy mpivavaka
nef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/raha-mba-izaho | RAHA MBA IZAHO | Zoky Eric | Adala oa ity foko
Fa mitia antsokosoko
Ilay efa vadin'olona
Raha mahita izato molony.
Madera ndaingo mena
Manaitra vao jerena
Kanefa tsy hay ny atao
Satria efa vadinao.
Dia sambatra ianao
Fa azonao atao
Ny mamihina ny vatany
Miondana eo antratrany.
Manoroka ny molony
Izay tianao atolony
Mitantana ny tanan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manoratra-aho | MANORATRA | Fredy Jaofera | MANORATRA
Manoratra aho
rehefa misy tomany
mamoha ny nandao
efa mba any ho any.
Manoratra aho
rehefa misy manery
fa ny ao anatiko ao
dia kikisan'ny fery.
Manoratra aho
rehefa misy mibaiko
fa mbola mifamaho
ny sedra nozakaiko.
Manoratra aho
rehefa poety ny foko
na misento raha vao
misy alahelo misoko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/sedra-ny-fo | SEDRA NY FO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | SEDRA NY FO
natopan'ny onjam-piainana
ny fony nireha-pitia
dotran'ny afo natsangana
ka zary tsy tafara-dia
setrain'ny rivo-pandrava
Ilay fo mitempo any ho any
tsy afaky ny handravarava
fa fo efa zatra tomany
Tinondraky ny oram-panala
ilay tsiki-pitiavany omaly
kanefa dia tsy afaka hiala
ka miaritra hatrany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/aza-avela-ho-very-foana | AZA AVELA HO VERY FOANA… | AbouNusrayni | AZA AVELA HO VERY FOANA…
1.Mpiavahiny tokoa moa raha isika no ety;
Mandalo ka miserana tsy misy ny haharitra;
Tsy mba natao hanana fa mpindrana fitia.
Voafetra raha ny taona sy izay mba mahafinaritra.
2.Ny lalana rehetra dia misy sampanana
Tsy maintsy handaozantsika ireo izay niteraka
Ny vady aman-janaka mbol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/mitonia-ianao-ry-foko-na | Mitonia ianao ry fokoNa | Hajanirina Mahavaly | Mitonia ianao ry foko
Na mafy aza ireo toloko
Mampitondra fahoriana
Ka zary lasa fijaliana
Aza dia misamboaravoara
Fa tsy izay akory no anjara
Semban-drahona nandalo
Ka aza atao mampimalo
Mbola ho avy ilay maraina vao
Hitondra hafaliana ho anao
Ny hazavana ho tonga hamalifaly
Hanaisotra ny sento sy tomany
H... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mahatody | TSY MAHATODY | Fredy Jaofera | TSY MAHATODY
Misy tomany ao am-po
tsy mahatody ny maso,
na mafy aza ny manjo
sy tsy zaka ny an-kaso. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiainana | NY FIAINANA | Fredy Jaofera | NY FIAINANA
Ny fisainana
dia hatanjaho
rehefa tsy soa
no avy misesy
ka maty masoandro ;
ny fiainana
toy ny lalao,
rehefa tsy voa
dia mandresy
arakaraky ny andro ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dan-mandimby/asa-re | Asa re... | Dan Mandimby | Asa re!!!
Ny bitsiky ny alina
No nanampy ahy hiarina,
Ny tsikin’ny maraina,
No nahazoko herin-tsaina
Ho vonona, hiatrika ny androany
Hiady amin’ny ankason’ity tany.
Hanatratra izay tanjona sy faniriako.
Ka ho tanteraka anie izay mba tiako.
Ny hariva ny fodiana…
Dia efa maro ny faniriana.
Ka mampametra-panota... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nosin-karena | NOSIN-KARENA | Fredy Jaofera | NOSIN-KARENA
Nosin-karena
ny tanindrazana
ka tsy ekena
ny fahavoazana.
Nosin-karena
lalaim-bahoaka
anefa mivena
sy tsy tafavoaka.
Nosin-karena
na aiza, izorana ;
be volamena
mety hifotorana.
Nosin-karena
takina hivoatra,
etsy vonjena
fa mamy loatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manankarena-mahantra-2 | MANANKARENA MAHANTRA | Fredy Jaofera | MANANKARENA MAHANTRA
Seko 'zany, seko 'zany fa manam-bola,
dera 'zany, dera 'zany fa feno angola ;
sambatra ange ianareo, sambatra loatra
fa feno fiadanana, na tsy any an-koatra.
Seko 'zany, seko 'zany fa manan-trano,
dera 'zany, dera 'zany fa tsisy angano ;
tretrika ange ianareo, tretrika marina
fa efa niaina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari-anjara/vavaka-ho-anolotiana | VAVAKA HO AN'OLOTIANA | Ari Anjara | 1)Andriamanitra o!
iny olontiako iny mafy ny ady atrehany
Betsaka ihany koa raha ny zavatra erehany
Ka ampio izy Ray,tohano ny herinao
F'aza avela ho irery amin'izao fiainana izao
2)Ny angatahako ry Ray dia tantanonao ny tanany
Arovy re ry Tompo fa sarotra ny lalany
Ny masony habanjino ny tanjona kinendriny
Ka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/lasa-izy | LASA IZY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | LASA IZY!
lasa izy,
nandao ny akany niarahana nitoetra
namonjy ny habaka tsy fanta-pisiana
ireo alahelo tsy zaka navelany teto
moa ny fahabangana mba nosaininy akory?
tsy fidiny ho azy ny handao ny fisiana
ny anjara sy lahatra no tia herisetra
fandalovana mantsy ny tany niaviana
ka samy mba miandry ny anjara t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/rehefa-hanambady | Rehefa hanambady | Nofy2 | maro ny miteny fa rehefa hanambady
aleo tena tiana
fa izaho milaza raha toa ka haka vady
saino am-pahatoniana
tsy hoe "izy no tiako" ny ankoatrany tsy ilaiko
izay dia mety ahy
na inona toetra rehefa mamiko , lalaiko
tsy misy mampanahy
"fitiavana" hoy ianao, io no aoka hanjaka
hiatrehana ny ho avy
rehefa samy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-vitanny-vava | TSY VITAN'NY VAVA | Fredy Jaofera | TSY VITAN'NY VAVA
Tsy vitan’ny vava
ny zava-drehetra
fa voaporofo lava
rehefa mba toetra.
Tsy vitan’ny vava
‘zay teny nomena
fa vitaina mazava
rehefa ho nekena.
Tsy vitan’ny vava
ny tokim-pitiavana
fa adera tsy ho rava
rehefa mba goavana.
Tsy vitan’ny vava
ny hoe : mahavita
fa aseho lalandava
tena mba h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sikino | SIKINO | Fredy Jaofera | SIKINO
Sikino fahamarinana
ny fiainam-pirenena
dia ho fanambinana
no ho avy sesehena.
Sikino fanavaozana
hipoiram-pivoarana
ka mba handaozana
ny lalam-piakarana.
Sikino firaisan-kina
fa adidy iombonana
mivoy firahalahiana
fa tsy 'zay fialonana.
Sikino fahazotoana
ho azo atao tantara
rehefa fandrosoana
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fantatro-2 | FANTATRO | Fredy Jaofera | FANTATRO
Fantatro fa diso ny lalana asainy
izoran'ny safidim-poko
ka aza gaga raha tsy hita lalainy
fa olona efa tsy inoako.
Fantatro fa diso ny toky tadiaviny
tsy maintsy anajako azy
ka tsapako fa ho ratsy ny hoaviny
raha tsy mivazivazy.
Fantatro fa diso ny tsiky natolony
hanakonany ny marina
ka halako re f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/covid-19-mada | Covid-19 | RAKOTOMANANA Christian Gabriel | Bibikely tsy fantam-piaviana
No nahatonga olana be eran-tany
Ny faharinganany tsy hay hoe rahoviana
Ny olona voa ity mitombo sesilany
Nalaza tato ho ato fa isika no nahita ny fanefitra
Topak'izay dia naverina nianatra ny ankizy
Tsy maintso misotro izay tsy manaraka kosa mandefitra
Miandry ny fahataperan'ny krizy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andy-rebabe/fatim-piaranialahy | Fatim-piaran'ialahy | Andy Rebabe | Hatreny Ambohidratrimo
ialahy nirimorimo,
efa tsy olombelona
fa donton'ny domelina.
Teo Ambodimita
niarahana nahita,
ialahy tsy nety resy
nisongona nisesy.
Dia nilingilingy
rehefa nahazo digy,
nirifatra tsy tana
nandika ny lalàna,
Niseho ho mafy loha,
ary tsy afapo
raha tsy niharan-doza,
Loza ! Loza ! Lo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aleoko | ALEOKO | Fredy Jaofera | ALEOKO
Aleoko fahavalo
mitsotra tsy tia
toy izay sakaiza
maneso ny tena
raha tsy atakalo
hampety ny dia,
na aiza na aiza,
ity fahendrena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/an-dakilasy | AN-DAKILASY | Ravanondrazana | AN-DAKILASY
Androany Talata faha fito avrily,
taona roapolo n'arivo fahatelo.
Aoka hifantoka tsara, rankizy!
Mba hahaliana sy hamerovero
Ny lesona atao ka ho mora tadidy.
Ny hanombohana tsara an'izany,
andeha aloha diovy ny solaitrabe!
Solon'ny mamafa trano androany.
Ny ambiny kosa, mamoaka kahié...
Toy ny ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/finiavana | FITIAVANA | Fredy Jaofera | FITIAVANA
Tsy mahita amin'ny maso
fa amin'ny fanahy
ny fitiavana
raha tsy hay ny hasohaso
sy maty ny ahiahy
fa finiavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/itomaniako | ITOMANIAKO | Fredy Jaofera | ITOMANIAKO
Itomaniako
ny fijalian'ny taniko
fa fahoriako
sy zavatra tsy laniko.
Itomaniako
ny loton'ny tanàna
marikoriko
fa tsy hainy alana.
Itomaniako
'reo sahiran-dava
ka irariako
ny rahona hisava.
Itomaniako
'zay kolikoly atao
fa tsy tiako
ka etsy ange fafao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/roa-segondra | ROA SEGONDRA | Ravanondrazana | ROA SEGONDRA
Roa segondra monja,
No sendra nifanojo,
Ny masontsika roa.
Ny anao malefak'onja,
No sady lasa tsongo
Manindrona ao am-po.
Roa segondra ihany,
No niainako tontolo
Hafa tany ankoatra.
Dia taitra noho izany
Ilay foko bobongolo
Izay resin-tory loatra.
Roa segondra koa,
No efa injay voavoly
Sahad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/angivy | ANGIVY | Ravanondrazana | ANGIVY
Angivy zetra
mangidy tsy laitra
Kely jerena
kanefa mafaitra.
Ny bika sy ny endriny
maha te hitelina
Ny ratsy ao anatiny
anefa no hafeniny...
( anaty fianjaikany
kanto sy raitra )
Nohon'ny angivy
izay tiana hosetraina
Dia tanora maro
no simba toe-tsaina.
Lasa tia handrana
maika ny ihinana
Nefa ao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/namako | NAMAKO | Fredy Jaofera | NAMAKO
Namako ny soratra
rehefa misy tomany
mahory manokatra
'reo ratrako hatrany.
Namako ny vavaka
rehefa kivy ny tena
mila any an-davaka
ka misedra tangena.
Namako ny hanina
rehefa singan-drery
sy zary mahafanina
'reo tsy hita sy very.
Namako ny volana
rehefa misy tsiahy
manaitra ny olana
tsy tokony h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/mila-anao-izy | MILA ANAO IZY | Ravanondrazana | MILA ANAO IZY
Aiza àry ianao, mba hanohana ny ainy!
F'ianao no hany sisa, taranaka hantenainy,
Handrehitra fanilo efa maty hatramin'izay;
Hanala fahamaizinana ho paradisa indray.
Aiza àry ianao, mba hijoro foana hatrany!
Hamerina ny hasina na koa ny fomban-tany.
Hiaro sy hamoha ireo kolontsaina saika lefy.
Ho m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/may | MAY | Fredy Jaofera | MAY
'reo efa may
no milalao
amin'ny afo
eto an-tany
fa tsy mba fay
raha nanavao
ka avia tarafo
fa may ihany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/ry-fiainana-ry-andriaman | Ry fiainana! Ry Andriaman | Ravanondrazana | Ry fiainana! Ry Andriamanitra!
Ianao,mampisandratra ny olona avo
Kanefa manitsaka ny efa mba lavo...
Indrisy, fitia tsy mety mandrobona
Na dia voahaloky ny andro manjombona
Ianao, mampiadana izay resin-tory...
Kanefa ny handriany tontolo mahahory,
Mody manohana ny efa mba kinga,
Nefa mamingana ny efa mandringa.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/aleo-misaraka | ALEO MISARAKA | Ravanondrazana | Isika efa niaraka hatramin'ny ela
Kinanjo ny bosy no saika tavela.
Ny saiko tsy afaka ny hizara roa:
Hianatra mafy sy hitia anao koa.
Ianao te hampiaraka sy hirikarika?
Aleo hifarana hatreo ny amintsika!
Izany eo ihany fa ity koa no olana,
Rainao mitrerona toa kotrok'orana;
Mandrara fitia, izay mbola mitsiry.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andy-rebabe/loko-volomborona | Loko volomborona | Andy Rebabe | Mena volomborona,
fitia tsy lefy hery
matanjaka fijery
sahy misetra sorona…
Mavo volomborona ,
ilay hafaliana miavaka
hazava-mandravaka
tontolo tsara orina…
Manga volomborona
dia faravodilanitra
sy tosaky ny hanitra
madio manara-morona…
Mainty volomborona,
fisaonana sy marika
saranga nifangarika
firaisan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toky-angelo/hafatri-neny | Hafatr'I Neny | Toky Angelo | Ry zanaka hendry tinezan'ny tsaha
Sikino ny hery ifikiro ny zoto
Ilay fahendrena tsy mena-mitaha
Tafio fiarovana mba tsy haloto
Tsy vitsy ireo olona efa tafita
No tsara sy mendrika hatao ohatra
Tsy manan-karena hianteherana isika
Fa ny fianarana no ataovy tohatra
Ny sedra mpamingana tsy mandao tany
Ka raiso ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ilaiko-ny-fony | ILAIKO NY FONY | Fredy Jaofera | ILAIKO NY FONY
Ilaiko ny fony
hampidoboka ny ahy,
raha toy itony
no hanova ny ahiahy.
Ilaiko ny fony
hanome ny hafaliana
raha efa zony
ny hitsinjo ito tiana.
Ilaiko ny fony
hitondra fiadanana
na hampitony
'reo jaly nananana.
Ilaiko ny fony
ho namana marina
na aiza, nony
tsy foy raha itarina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/misy-izy | MISY IZY | Ravanondrazana | MISY IZY
Hitsero, mba jereo!
Ilay maso pitrapitra
Mijery anao hatrany.
Ny fony be toreo no
Efa mby ho triatran'
Ny ratram-po tomany.
Vatsio fa miatrik'ady
Ilay fanahy mpiaro
Anao rehefa matory.
-Miharitra, mianjady,
Ireo hery ratsy maro,
Hikasa ny hampahory.-
Omeo ilay fahefana,
Hifehy izao tontolo...
Sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/ho-ani-zandry | HO AN'I ZANDRY | Ravanondrazana | HO AN'I ZANDRY
Any mantsy ianao... Ry zandriko malala !
Difotry ny havoana any ambadiky ny ala.
Arafitro ho soratra ny vetsoko ato anaty.
Nahatongavanao tambonin'ity tany.
Arahabaina zandry... mirary soa hatrany !
Ho mamy sesilany anie
ny fiainanao rehetra.
Tsy hisy anefa izany raha kinivin'ireo sedra.
Ny eto ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/etsy | ETSY | Ravanondrazana | ETSY
Etsy ho safoiko
ry zanako izany!
Mbola eto dada
fa aza tomany...
I neny izay lasa
tsy hiverina intsony;
fa efa nantsoin'
ilay Ray ao ambony.
Etsy ry zanako,
ho rotsirotsiko...
fa ianao irery
no antom-pisiko.
Eto ho'aho dada
fa aza manahy...
ny fifalianao no
fiadanana ho ahy.
Etsy tantanako...
hia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/fihaonana-voalohany | Fihaonana voalohany | RAKOTOMANANA Christian Gabriel | Toy ilay latsak'orana iray mitete manaitra
Na irony tsindrona kelin'ny loham-panjaitra
No fahatairako raha nitompy maso anao
Endrika efa hita fa tsy endrika vaovao
Nanosika mafy ny saiko hieritreritra hoe mba taiza moa no mety nifanojoana
Inona no ho lazaiko ianao ity efa eto anoloana
Tsy mety tadidy mihintsy na ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/mitonia | MITONIA | Mikalo nantenaina | Mitonia ianao sakaiza
Raha nandao anao ny tina
Fa na ho aiza ianao na ho aiza
Ny fitoniana no hilaina
Mitonia ianao sakaiza
Fa ny lavo mbola hiarina
Ny marina tsy ho faty
Ka aza ianao hamalifaty
Raha nosoparany tokoa
Mitonia ianao sakaiza
Mitonia...fa izany no fahendrena
Mitonia...fa aza ianao mitraotra
Eny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/nandalo | NANDALO | Mikalo nantenaina | Aza gaga ianao,
Raha mahita ahy mitomany.
Tsy ny setrin'ny ankaso,
Na fahoriana latsapaka
Fa
Tandrifin'alahelo sendra mba nandalo
No nanankona ny masoandro,
Nefa...
Mbola hisava io rahona io...
Ary hisinda ny alahelo,
Ka ho tonga indray ny hazavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/efitra-kely-voafono-fitiavana | Efitra kely voafono fitiavana | RAKOTOMANANA Christian Gabriel | Ry tiana, ry malalan'ny fo
Na mbola tsy ahy aza ianao, izany no irariana ho toa
Hameno izato efitra kely
Hameno ny babangoanam-pitiavana izay tena mamely
Efitra voatokana ho an'ilay silam-panahy
Hiara-dia amin'ny fiainana hiaraka hisalahy
Izany no hany arovana
Na dia betsaka aza ny zavatra tsy maintsy lalovana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/ampatoriana-ampandriana-n | Paradisa | RAKOTOMANANA Christian Gabriel | Eto am-pandriana ny saina no mamisavisa
Mizara maro ny eritreritra toa ireny kintana an'alinkisa
Raha hambara daholo tsy ho voatanisa
Fa ny tena zava-dehibe dia hoe ahoana any am-paradisa
Sambatra angamba ny olona, tsy misy jentilisa
Masina avokoa, vita batisa
Miramiran'endrika tsy misy madisadisa
Tomady salama ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/ny-poeta | NY POETA | Mikalo nantenaina | Izao tontolo izao
No nanainga ny ainganao
Nanainga ny fanahy
Hitety ireo voaary
Ny tarabolana
Eo ambaravarakely
Toa manainga anao hifoa
Hianoka ny misiny!
Ireo kintana aman'alina
'Zay mandravaka ny alina
Miantso anao poeta...
Mba handrakitra ny lasa!
Ny taratra hazavana
Eo am-paravodilanitra
Tsy mamela an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tho-fifaliana/mamiko-ianao | MAMIKO IANAO | Théo Fifaliana | Na tahakin'inona ny hakelin'ny saiko
Na hofefena tsy hahita anao aho
Zavatra iray ihany nous haiko
Dia tia anao aho
Tsy ampanantenaiko ny volamena
Tsy takatro ho anao ny kintana
Fa ny hitia anao no azoko omena
Hahasolo ny hafenoan'ny amamiana
Ny hasambarana no miraikitra ao anatinao
Mahery vaika tokoa ilay fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-poety | MILA POETY | Fredy Jaofera | MILA POETY
Mila poety
ny fiarahamonina
toy ny trondro
'zay mila rano
vao mba mety
fa tsy foronina
tsy hisy fondro
ka mba sahano.
Mila poety
ny fiainantsika
toy ny korana
'zay mila hira
vao tsara hety
sy tsara bika
'reo ombana
ka mamikira.
Mila poety
ny tanindrazana
toy ny lanitra
mila kintana
vao a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/i-dada | I DADA | Mikalo nantenaina | I dada a!
Ilay andry hiankihinana,
Tsangambato tsy mikoro,
Dada ilay niharitra ny mafy
Ho antsika zanany.
I dada a!
Ilay mibedibedy kely
Raha misy tsy mety ato,
Ilay mitsangana ho fefy
Miaro antsika zanany.
Dada...Ilay ray be heri-po
Mba ahasoa ny ankohonany,
I dada...
Ilay andry hiankihinana,
Tsangambato... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahery-r/ry-volam-pitia-ampitao-any-ny-hafatro | Ry volam-pitia, ampitao any ny hafatro | Mahery R. | Injay ilay vetso fa tonga indray
Vao maraina d’efa mampatsiahy
Mampatsiahy ilay silako mamy
Mampanidina hiala amin’ny Tany
Izany Foko toa lavitra irery,
Izany masoko mba te hijery
Fa manembona no azoko atao
Ilay manitra eo anilanao
Fa indro ilay volana, mitaratra ambony
Ilay fenomanana tonga hampitony
Mitondr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/adala-angaha-ianao | Adala angaha ianao | RAKOTOMANANA Christian Gabriel | Adala angaha ianao
Tsy tia mifanakalo hevitra
Tonga dia andao andao
Midona vao mitsingevitra
Adala angaha ianao
Ka hoe tonga dia alefaso
Tsy misy hoe ity fakafakao
Rahefa sendra tsy mety, vao hoe tapeno ny maso
Adala angaha ianao
Manohitra izay mampandre
Mandà zava-baovao
Fa ny ianao ihany no izy, satria ian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahavariana | MAHAVARIANA | Fredy Jaofera | MAHAVARIANA
Mahavariana,
mahita anao mihira
ka sondriana,
noheveriko ho arira.
Mahavariana,
mahita anao mandihy
ka mahaliana
raha indro mankafy.
Mahavariana,
mahita anao miravo
ka tsindriana
fa toky iray nandavo.
Mahavariana,
mahita anao matory,
toa fitoniana
tsy tairina eto akory. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/raozy-misy-tsilo | RAOZY MISY TSILO | Mikalo nantenaina | Raozy fanaperana...
Mambabo ireo mpandalo.
Feno an-tsaran-tarehy.
Manaingo zaridaina.
Mahavelombelom-bolo,
Raha tonga ny maraina.
Fa hay raozy misy tsilo,
Ilay mba novoleko.
Nipaka hatrany anaty
Ny lentiky ny tsilo
Teo vao nahatsiaro,
Sy nanafatra mpandalo,
Fa hay ny raozy misy tsilo!
Raozy fanaperana!
Nd... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lavareny | LAVARENY | Fredy Jaofera | LAVARENY
Lavareny ny tsiaro
rehefa lasa vinany
ka eritreritra maro
no misesika ihany.
Lavareny ny sioka
rehefa mba oriory,
tsy lalovam-pioka
fa mifono : izory !
Lavareny ny andry
rehefa toa hafahafa
ka dia tsy tafandry
sy ao anaty mijafa.
Lavareny ny sento
rehefa tsy mamaly,
te hilaza,hoe, ento
raha ind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/nofy-ririnina | Nofy RIRININA | NY HERIMAR | NOFY RIRININA
Indray hariva hilenti-masoandro
raha nivoaka kely izahay mianadahy
dia sendra ilay vorona tsy mpivoak'andro
Ka dia revo tokoa moa ny saina sy fanahy.
Dia nifampijery sy nifampitopy maso
no nifampiera hoe: ao mba andraso!
Niteny Ravorondolo tamin'izany andro
Fa ho hafaliam-be, hono, any aoriana any... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tafala | TSY TAFALA | Fredy Jaofera | TSY TAFALA
Tsy tafala ny fahoriana
efa nampirotsa-tomany
raha toa ka olon-tiana
no nandao itony tany.
Tsy tafala ny fahoriana
nanadala hatramin'izay
raha mahazo fanaviana
eto ihany indraindray.
Tsy tafala ny fahoriana
nanelingelina ny taona
raha mamoha fihafiana
sy ireo ora nampisaona.
Tsy tafala ny fahori... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/hiaraka-hanarina | Hiaraka hanarina | RAKOTOMANANA Christian Gabriel | Taona maro namikirana
Tsy mba misy sahy niahy
Manantena hahita mangirana
Fa hatreto aloha mangahiahy
Nifandimby ny fampanantenana
Fa hanala ahy anaty aizina
Ny vava hay no nalama
Ka noheverina fa avo razana
Izaho moa tsy mba mahalala
Fa izay miteny dia mahazo tehaka sy horaka
Izaho angamba ilay mandry am-bava... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanana-christian-gabriel/ilay-feo | Ilay feo | RAKOTOMANANA Christian Gabriel | Tany karakaraina lavitry ny ando
Izato fanahy toa verivery dia
Mavesatra mitombo isan'andro
Tsy mampifantoka fa mampiriaria
Betsaka no hita betsaka no niaianana
Ny andro anio ho tanterahina, izay mitranga tsy hitarainana
Ny rahampitso ho torak'izany
Dia ho toy izany hatrany hatrany
Vao mifoha maraina, ny maso m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-marini-gasikara | NY MARIN'I GASIKARA | NY HERIMAR | NY MARIN'I GASIKARA
Vao rava ny fanjakan'Andriana,
Nanaraka azy ny lakan'ny marina;
Ny risoriso izao no ifalifaliana,
Ireo volavolan-dalàna tsy ampiharina.
Na olon-dehibe io na zazakely,
Na olontsotra na manam-pahefana;
Tsy sahy hamboraka azy velively
Satria eto izany dia rarana.
Ireo milaza ny hita sy re,
At... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/ny-vola | NY VOLA | Mikalo nantenaina | Ny vola!
'Lay ravin-taratasy
Toa mahafatifaty
Manintona ny saina
Hanadino fihavanana
Taratasy kely
Misy zorony efatra
Kely lanja anefa
Mahazaka ireo mavesatra
Toa maivana avokoa
'Zay zavatra atao
Rehefa eo ny vola
Ny vola!
Ilay sakaiza tsy foy
Raha mbola eto an-tany
Ary noho izany
Ilaina ianao ra-vola
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-eto-an-tany | NY ETO AN-TANY | NY HERIMAR | NY ETO AN-TANY
Fa ny eto an-tany
tsy tokony hahagaga,
Fa tsiky na tomany
no mifandimby lava.
Fa ny eto an-tany
Mila anao miady;
Ny ho resy izany,
Tena ataovy fady.
Fa ny eto an-tany
dia aretina sy faty
no miranirany
Matetika tsy tanty.
Fa ny eto an-tany
Tsy ialana olana,
Maro tsy ho lany
Fa aza atahoran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamy-mangidy | MAMY MANGIDY | Fredy Jaofera | MAMY MANGIDY
Mamy mangidy
ny androko lasa :
nilaozan-tsafidy
fa be kasakasa.
Mamy mangidy
ny tolotra tonga
raha nangidihidy
fa tsy somonga.
Mamy mangidy
'reo nantenaina
nitetika handidy
vao nosedraina.
Mamy mangidy
iny voankazony
ka indro tadidy,
na 'tony hazony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-masoandro | NY MASOANDRO | Fredy Jaofera | NY MASOANDRO
Ny masoandro rehefa hiseho
dia tonga hitara-pahazavana,
tsy hamerimberina ho toreo
ny andro lasa izay nialana.
Ny masoandro rehefa hiseho
dia hamirapiratra ny tanjona,
hamelombelona eo no ho eo
ny nofinofy mahatalanjona.
Ny masoandro rehefa hiseho
dia hampipoitra lamin-tsaina,
hampiainga ho azy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/adinoy-ny-lasa-ratsinao-s | Adinoy ny lasa ratsinaoS | Hajanirina Mahavaly | Adinoy ny lasa ratsinao
Soloy fiainana vaovao
Ny hetraketraky ny tany
Avelao hivalona any
Ny làlana nandratranao
Fadio ny miverina mankao
Satria nitondra fahoriana
Tsy nahitanao fifaliana
Ny tavanao kotsan-dranomaso
Rakotr'alahelo noho ny ankaso
Fenoy tsiky ombam-pifaliana
Hanafaona ireo fijaliana
Mitrakà,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tsy-mila-antra-i-afrika | TSY MILA ANTRA I AFRIKA | AbouNusrayni | TSY MILA ANTRA I AFRIKA
1.Io fa matahotra ireto fotsy hoditra,
Fa tratran’ny patsa iray tsy omby vava.
Nivadihan’ny rasa ka indro torakovitra,
Fa ny harinkarenany izao no ho rava.
2.Ny firenen’izy ireo ilay nifamorivory,
Tsy nety nifanaraka hiaraka hitrosa.
Tampotampoka teo tsy misy apoaka akory,
Dia milaza ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/fo-hafakely | Fo hafakely | Zay LAFATRA | FO HAFAKELY
Mafy ianao ry foko,
fa ny zavatra mba tiany tsy azony avokoa
ny ratra no mba setriny noheveriny fa soa
Ny alahelony rehetra nafeniny tao anatiny
kobonony mangina ho mandram-pahafatiny.
Mafy ianao ry foko,
fa ny tebitebinao nahazo isak'alina,
nosoloinao tsikitsiky raha tonga ny maraina.
ny antoandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tselatra | TSELATRA | Fredy Jaofera | TSELATRA
Jelatra
nandrirotra ahy
no avy nangia ;
tselatra
sendra tsy nahy
no nivatsy fitia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/nankaiza | NANKAIZA? | Dox | Nankaiza ny olo-tety... no rindrina sisa mijoro?
Ny tafo mikipaka iray, ny rihana sy andry mikoro.
Raiketa sy ambiaty ary seva no sisa miandry tanàna.
Mangina ka mahalao monina... haolo tsy mahatamana.
Nankaiza ny olon-tety?... Ako no sisa manoina.
Fody no sisa mamaly... Aloka sisa antsoina!
Sorohitra mbamin-domo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/akaikinao | AKAIKINAO | Fredy Jaofera | AKAIKINAO
Akaikinao,
akaiky ny foko
ka anjakao
ho lavi-toloko.
Akaikinao,
akaiky ny tiana
ka ivavaho
ho be fitahiana.
Akaikinao,
akaiky ny nofy
ka hazavao
mba tsy ho rofy.
Akaikinao,
akaiky ny tsiky,
feno lalao
fa tsy dikidiky.
Fedy JAOFERA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ranomasina-ity | RANOMASINA ITY | Fredy Jaofera | RANOMASINA ITY
Ranomasina ity
no toky mangina
kasaina ho doria
haneho fitoniana.
Ranomasina ity
no misafo ny ora
ka eto avy minia
manitsa-bakora.
Ranomasina ity,
na manan-dratra,
no manonja fitia
saika tsy nihatra.
Ranomasina ity
no mibitsika ahy :
« Mba matokia
fa aza manahy. » |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-toerana | MISY TOERANA | Fredy Jaofera | MISY TOERANA
Misy toerana
ato am-poko
mitepo fitia,
tsy noferana
sy tsy foiko
ka mitsikia.
Misy toerana
ato an-tsaiko
lasa mankany,
tsy miserana
sy antenaiko
eto hatrany.
Misy toerana
ato ombieny
maniry anao
ka manerana,
hoy ny fiteny,
fa tsy tsaho. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-jacques-rabebila/fahazaza | FAHAZAZA | Jean Jacques RABEMILA | Fahiny, fahazaza, raha tany ambanivohitra
Miara-mikarenjy amin'ny fody sy sorohitra ;
Miaraka mifoha amin'ny fitatra sy goaika
Ka mifarimbon'asa amin'ny mpiasa tany maika ;
Rehefa antoandro ny andro, mila tsy hahomby,
Ilaozana ny angady, dia lasa miandry omby,
Ka manariva andro mamandrika kibobo,
Papelika, tsipo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/valisoa | VALISOA | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | VALISOA
Izay mitolona am-panahy
sy matoky an’i Jesoa
Ka mivavaka tsy miato,
miasa mafy, milomay;
Dia ho sambatra tsy hanahy,
sy ho ampoky ny soa
Ary hihamafy toy ny vato
ny finoany an’Izy Ray.
Izay manaiky ny halemeny
nefa miarina hatrany,
Ka miankina amin’ny Tompo
sy amin’ny fahasoavany;
Dia tahiany sy vo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/mitia-mangina | MITIA MANGINA | Mikalo nantenaina | Tsy mety ho afaka
Ato an-tsaiko 'lay endrikao,
Fa toa lasa nofy vita sary.
Ny masonao mibaribary,
Tsy afaka ato an-tsaiko
Ny jerinao malefaka
Fa toa misy taram-pitia
Manomboka mitsiry
Ao anatiko ao.
Raha vao mijery,
Na mahita,monja sary iray,
Dia mientana ny foko
Iantsampy sy hanoroka anao.
Moa mba tsapana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-kely/ho-anao | Ho anao | Aina-kely | Ity ny soratanako raiso ka fihino
Ity ny tarigetrako ka aza manadino
Raha hande any ianao ry tiako
Aza hadino ny fisiko , fa ny foko tena tia
Fa tsy vazivazy sanatria .
Raha ny fitiavako anao
Tsy omby an'izao tontolo izao
Tsy misy mahasolo anao izany
Raha mbola eto an-tany
Nefa tsisy azoko atao
Afatsy ny mana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-hivaly | REHEFA HIVALY | Fredy Jaofera | REHEFA HIVALY
Rehefa hivaly
eny am-paravodilanitra
ny vavaka natao
dia mba hiangaly
sy hidera an'Andriamanitra
ny hira ao ho ao.
Rehefa hivaly
eny amin'ny lala-nantenaina
ny ezaka rehetra,
tsy hitondra jaly
fa ny ambara ho lamin-tsaina
no avy hitoetra.
Rehefa hivaly
eny amin'ny oram-pitoniana
ny nofinofy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/pasky-ny-mpino | PASKY NY MPINO | Fredy Jaofera | PASKY NY MPINO
Pasky ny Mpino,
inty re hamasino
fa fetim-piderana
misy fahagagana.
Pasky ny Mpino,
saino sy halalino
fa oram-pifaliana
tomefy fitahiana.
Pasky ny Mpino,
tsy mba fanadino,
misy fitsanganana
mitory fihavanana.
Pasky ny Mpino,
n'aiza ange fihino,
fa misy famonjena
mitaky fandresena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/mifaningotra-aina | MIFANINGOTRA AINA | Tara-masoandro | Nitsahatra ny tany minitra maromaro...
Ny rivotra no sisa mba heno fa nandalo,
nanafosafo ireo takolantsika efa nivoara-mena...
Ny herika manify no nifafy sy nandena
ny nofontsika efa jihitry ny hatsiaka...
Nifampihazona, nifampibanjina teo tsika.
Tsy nisy na dia iray mba nahaloham-peo fa, toy ny moana, gina tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/maraim-baovao | MARAIM-BAOVAO | Tara-masoandro | Endrey ny feom-boromanga kely misitsioka vao maraina
Mahamirana ny tava, mampisokatra ny saina.
Hay tsy izany irery no tazako avy lavitra
F'ilay taratr'andro meva mitsilo sy mandrafitra
ny anaty manontolo,
Toa velombelom-bolo
Fa, lavitry ny nofy ratsy lava
Mpamotika, mpandrava
Ny anaty efa mitroatra
Ka tsy tia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/misy-andro- | MISY ANDRO … | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | MISY ANDRO …
Misy andro malomaloka
Tsy mba miandry ny andro ho hariva
Ka tsy ahafahana mianoka
‘Reo hakantom-peon’antsiva
Misy andro feno zavona
Manembantsembam-pahitana
Tsy hamaha olana, tsy handravona
Fa manakona hazavana
Misy andro mba mihiratra
Fa tsy maharitra ela akory
Na mihamiposaka aza mihisatra
Ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-izy | TIAKO IZY… | RRAG | TIAKO IZY…
Tsy asiako hoe satria, tiako fotsiny izy.
Tena fitia, fa tsy fijery mba nitopy.
Tsy feo toa feo, na resa-bava fotsiny,
fa fo no injao maneho, ny ravaky ny rotsiny.
Tiako fotsiny izy, fa tsy nasiako antony.
‘Lay foko mitahiry, ny endrika ‘zay kantony.
Tiako izy, ka tsy nofy intsony!
Tiako izy tsy an-t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/poeta-adaladala | POETA ADALADALA… | RRAG | POETA ADALADALA…
Poeta adaladala,
miantso ahy malala!
Poeta toa miredy,
tsy te hahalala bedy!
Dia ‘njay manatona ahy,
fa hoe sila-panahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-lay-sahy-nandao | IANAO ‘LAY SAHY NANDAO… | RRAG | IANAO ‘LAY SAHY NANDAO…
Natsipin’ny eritreritro handeha hisento koa,
ny foko tena tia, efa babonao!
Ny saiko tsy mitony kanefa ahoana moa,
no ahafahako misakana ity ianao handao?
Ranomaso tokana, nalatsaky ny tavako,
no injay toa nanamando ny endri-tsikitsikiko!
Sentosentom-poko, izay toa nahatorovana,
no nanin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sahia | SAHIA! | RRAG | SAHIA!
Reseo ny tahotrao,
manana fitokisana.
Ny fahafahanao manao,
aza manaiky ho vizana,
na lemin-draorao!
Sahia mitolona madio,
sahia miady ho an’ny marina.
Reseo ny sedran’ny anio,
tandremo sao tsy malina.
Sahia mandefitra amin’ny rariny,
milefera na tsy diso.
Dia tsarovy fa ny alina,
no ialohavan’ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/ilay-andro-malaza | ILAY ANDRO MALAZA | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | ILAY ANDRO MALAZA
Tsy nofiko!
Fa efa miandry any ilay malalako;
Lay tokako, tsy manam-paharoa.
Izy no hany tiako sy anjarako,
Ilay nanokanako ny “Fo”-ko!
Tsy nofiko!
Fa efa voatendry ny andro iray
Hampakarako azy ambony ôtely.
K(a)'hifampivoady 'zahay mandrakizay,
Fa tsy hisara-bady velively.
Tsy nofiko!
‘L... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teboka-mamarana | TEBOKA MAMARANA… | RRAG | TEBOKA MAMARANA…
Atopazo ilavidavitry ny takatry ny maso,
ny fijinerinao ny hoavy!
Hinoy fa tsy hahery ny kapoky ny ankaso,
‘lay te hanapa-tady!
Fa tsy handaitra akory ny ozona nazeran’
irony mpankahala!
Ary hamingan’azy irony deraderan’
ny maso adaladala!
Etsy moa anie e! Etsy aho henoy,
hivolana fitiavana!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pejy-iray-voatokana | PEJY IRAY VOATOKANA… | RRAG | Tolotra fitia manokana ho an’ilay Malalako (RABEMANANTSOA Anah Fisainana) amin’izao fotoam-pankalazana ny fetin’ny mpifankatia izao.
PEJY IRAY VOATOKANA…
Malala a! Tomefy ato am-poko,
fitia tsy tambo isaina…
Anao ilay fitiavana, tokana tsy foiko,
tsy sombiny fa aina!
Pejy iray voatokana, voasoritry ny anjara,
ny... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.