url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/neny-mama | NENY! MAMA! | RRAG | Fanomezana manokana ho an’i Mama (RASOAFINARITRA Berthine: Rafozam-baviko) tamin’ny fankalazana ny faha enina amby enimpolo taona ny fitsingerenan-taona nahaterahany.
NENY! MAMA!
Neny! Mama!
Anarana mazàna,
fanonon’ny vava,
foiny aho nibada!
Tonga fety ianao,
ka ho arahabaiko izao!
Ry ‘lay voa natao hamony,
ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-tsiny-indrindra | AZA TSINY INDRINDRA! | RRAG | AZA TSINY INDRINDRA!
Aza tsiny indrindra, raha toa ka nahateny,
tamim-pahatezerana, teny izay nandràtra.
Ifonako ihany koa, raha toa tsy nahajery,
anao ‘lay nitomany, ka dia namihin-tratra.
Diso akia malala a! Ka ‘ty ny fo mivalo,
mifona fa tsy tandro, ny fihetsika natao.
Fitiavako ialahy ka, tsy tiako ho fahava... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-reny-sy-ny-raiko | NY RENY SY NY RAIKO | NY HERIMAR | NY RENY SY NY RAIKO
Ny Reny ry ny Raiko,
Lalaiko sy hajaiko
fa fototraiko...
Na maloto sy misafotofoto,
Ny fitia ato am-poko
tsy hiova loko.
Ireo no ahy
Loharanompanahy
Mpamelona sy mpiahy.
Ireo niady mafy
sy nampitafy,
Tena nihafy.
Ka dia holalaiko
fa fototraiko
Ny Reny sy ny Raiko.
Ary dia ho ekena
S... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/raha-hanampy-ihany | RAHA HANAMPY IHANY | NY HERIMAR | RAHA HANAMPY IHANY...
Raha nisy fanampiana
Nahoana rehefa lavo
no mody vao haarina?
Kanefa fijaliana,
Nandeha na azon-tazo
Fa nanafena-marina.
Ireny mpivarotena
Sy mpitondra fiara
Ny madinika rehetra
Tsapa tena mahonena
Kanefa tsy afa-miala
Tsy nandraisana fepetra.
Raha ry zareo mbola afaka
no nandeha mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/ny-aina | NY AINA | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | NY AINA
Ny aina?
Aloka aman-javona,
Mihelina dia lasa;
Setroka aman-drahona,
Tsy ela dia misava.
Ny aina?
Ravinkazo raraka,
Ka tsy haniry indray;
Tsy misaratsaraka,
Fa tokana, iray.
Ny aina?
Raha lasa tsy miverina,
Raha very tsy hita intsony;
Indray mandeha mihelina,
Tsy hiverina hamony.
Ny aina?
Tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/paska-hafa-kely | PASKA HAFA KELY | Fredy Jaofera | PASKA HAFA KELY
Paska hafa kely
'ty no fetintsika
noho ny aretina
mbola mamely
sy hita masiaka
rehefa rafetina.
Paska hafa kely
misy fihibohana,
mila fibebahana
azo atao modely,
na dia manohana
fanavakavahana.
Paska hafa kely
rako-piadanana
ho an'itony tany
arovan'ny anjely
sy fitsanganana
deraina ses... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/vavaka | VAVAKA | Lova miar'shu | VAVAKA
Andriamanitra o!
Miangavy aho raha sitrakao
Mba foano izao dia izao
Ilay aretin-dratsy
Izay iadiana mafy
Aza avela haharitra ela
Na handringana ny tena
Sanatria ka hamely mafy
Handripaka ny Malagasy
Koa vonjeo ry Ray
Avoty re ny taninay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/jesoa-hazavana | JESOA HAZAVANA | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | JESOA HAZAVANA
Tsy haiko ambara ny hafaliana
Mipololòtra anatiko ao
Nisinda teo ‘lay fahoriana
Fa tonga ny maraina vao
Lavo ny haizim-pijaliana
Fa efa tonga ny mazava
Nisinda teo ‘lay fahoriana
Ka faly aho, mirana sy ravo
Fa ny eo akaikinao Jesoa
Fa ny miaraka aminao Jesoa
Dia lavi-tsento sy manjo
Eny samba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/nofy | nofy | cedarf | harenako ny nofy
tsy sasatra maniry sy manina ny tsisy,
harena mora miofy,
sy tsy mba mety ho to, fa an-tsaina ihany indrisy.
kanefa anaty nofy
tinazako ao daholo izay tiako alaina ho ahy
olo-tiana ho namana hiarahana mitosy ?
tsy misy mampifila mandratra ny fanahy.
anaty nofinofy tsy misy fitsaharana,
any mih... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-tianao-iny-indrindra | ILAY TIANAO INY INDRINDRA… | RRAG | ILAY TIANAO INY INDRINDRA…
Ilay tianao iny indrindra no nitsangana ho fahavaloko,
nitazana nandalo ny efitranontsika!
Ilay maminao indrindra no fototry ny ankasoko,
nandrava tsy niantra ny fitiavantsika!
Ka ‘lay isika roa, tia mifankatia, iray tsy novakiana,
no zary izaho sy ianao!
Nisy faka niala, rimbona sy lo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/poeta-hono-ianao | POETA HONO IANAO... | RRAG | POETA HONO IANAO...
Penina misosa mandrafitra litera,
singa hampiarenana ireo fo izay nianjera.
Nandatsa-dranomaso 'zay nanamando tava,
namafa ny tomanin'ireo mijaly lava!
Saina hasidintsidin'ny nofinofy lalina,
tsy marain-tsy antoandro, toa tsy andro tsy aman'alina.
Miazona ny tanan'ireo resin'ny fiainana,
ka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/izy-mirahavavy | Izy mirahavavy | Dox | Efa akaiky ny ririnina. Mifarana ny fararano.
Manodoka ny eritreritra ny lanitra manganohano.
Ny vodilanitra malefaka ilentehan'ny masoandro
Mivolombolom-batolalaka, mangarangarana handrohandro...
Momba ravinkazo mihintsana ny tora-bovoka, ary izany
Dia manetsika alahelo sy vetsovetso lozan-tany!
Eo an-davarangan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofy | NOFY… | RRAG | NOFY…
Tazako hono ianao,
fa tsy nahita ahy.
Nanoroka ny molony,
teo imasoko.
Hitako hono ianao,
fa tsy nahatazana ahy.
Namihina azy mafy,
tsy nisy ahiahy.
Kinanjo kay nofiko!
Nofy ratsiko ihany,
fa tsy tena izy akory.
Nandrebireby ahy omaly,
ka tsy nahitako tory.
Nefa nofy toa ahiako,
ho tanteraka ihany.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangina-akia | MANGINA AKIA… | RRAG | MANGINA AKIA…
Mangina akia malala ny lalana lalovana,
raha iny izaho irery no mandia ‘ty lalana.
Mipololoitra anatiko ny tsiarom-pahatsiarovana,
rehefa sendra aho mijano-maka bahana!
Any ianao izaho mihevitra ahy tsy hoavy,
dia mandrafidrafitra pilanina vaovao.
Izaho akia malala, nefa tena miangavy,
eo iandraso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/vavaky-ny-adolasento | VAVAKY NY ADOLASENTO | NY HERIMAR | VAVAKY NY ADOLASENTO
Ry Tompo Mpahary ao ambony,
Mitalaho fa osa e ity zanakao;
Mba omeo ahy ny fo mora tony
Hamafako moramora izao ratrako izao.
Omeo fo vy malaky afa-pery
Hoenti-miatrika ady vaovao,
Homora ihany koa hanadino ny very
Sy ireo vinavina izay saika hatao.
Kanefa kosa Raiko mba aoka ihany
Hitoetr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-ny-hotiavinao | TSY NY HOTIAVINAO | NY HERIMAR | TSY NY HOTIAVINAO
Tsy ny hotiavinao no tao an-tsaina
raha tsara fo sy feno fanajana;
Fa raha feno hery sy velon'aina,
Hizara hafaliana ho an'ny akama.
Tsy ny hotiavinao no tao an-tsaina
raha nanao izay sitrakao,
Efa zatra setroina sy latsaina
Rehefa lavo toy izao.
Tsy ny hotiavinao no tao an-tsaina
raha niafy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/poezita/so.fi | So.Fi | Poezita | *So.Fi*
Fandindona,
volon-davenina !
Figadona,
manainga penina !
Tefy,
kanto !
Fijefy,
m'lanto !
Hika,
Tatsimo !
Bika,
tsy ampino !
F'tafy,
mendri-jery !
Fiafy,
mahari-pery !
Rani-tsaina,
tsy drengy !
Fiaina,
marengy !
Fiavy,
fanasy !
Viavy,
Gasy !
Fi-To,
maharitra !
Soa,
Finaritra ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ny-lafy-tsarany | NY LAFY TSARANY… | AbouNusrayni | NY LAFY TSARANY…
1.Misy hatrany lafy tsarany,
Amin’ny zavatra rehetra.
Izao tsaroana ilay Anarany
Noh’ ilay aretina tomoetra..
2.Fa hay marefo ity aina,
Raha voadona mitomany.
Mitamberina ao an-tsaina
Fandalovana ny tany.
3.Ny maty raha akipy,
Mampahiratra fijery.
Hoe isika kay iky,
Raha toa variana dia ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny-no | IRENY NO… | RRAG | IRENY NO…
Tsiaro mihiboka mandràtra,
ny fo mihevitra ho tiana.
Fery efa latsa-paka,
ny fahadisoam-paniriana.
Nefa ny aina toa mametra,
ny zoga zakany holanjaina.
Ka ny fon’ireo mpisetra,
moa ve tsy hitaraina?
Ny endrika tsy mahatsara,
tsy hitsaràna olon-tsoa.
Ny maso anefa tsy mandrara,
na dia tsapany fa h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/vavaka | Vavaka | Cat | Mivavaka aho anio Ry Tompo be fitia
Ampianaro ny foko hino Anao ho doria
Satria maro ireo fikasana mila Anao
Koa matoky aho fa mitantana Ianao
Na dia mpanota tsy mendrika
Moa ve narianao sa tsy tianao?
Tsia, tsia fa mbola nataonao nitovy ny endrika
Ka nafoinao hatramin ny fara fofon ainao
Noraisinao tsy misy fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misaona-ny-fony | MISAONA NY FONY! | RRAG | MISAONA NY FONY!
Lasana namonjy ny Ray!
Namonjy ny fiainana mandrakizay.
‘Lay tokan’ny fony tsy manan-takalo.
‘Lay notsiriritin’ny fon’ny mpandalo.
Nisaona ny fony,
nandresy ny ankaso!
‘Reo ràtra tsy tony,
notinefen-dranomaso.
Kanefa indrisy fa vao mainka nitoetra.
Mody nisangy kay tena nisetra!
Nandrangitra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/habobo | HABOBO… | RRAG | HABOBO…
Lainga lava izao,
habobo tsisy raisina.
Saronanao lalao,
nampitondra faisana.
Atranga tsy aman’orana,
teny mifono olana.
Habobo tsisy farany,
no fototry ny tantarany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/nenina | Nenina | Cat | Fony izy mbola teo anilanao
Moa ve mba notiavinao sy norarahinao???
Hanenenanao ny tsy fitiavanao
Fa izao izy efa namadika pejy vaovao
Sambatra izy ankehitriny
Nefa ianao toa feno fijaliana
Izy teo akaikinao tsy hahitana hafaliana fahiny
Pejy vaovao no iainany sady fifaliana
Alahelo firy taona izy nitomany
Mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/vavaka-ho-anny-firenena | vavaka ho an'ny firenena | cedric tolojanahary | Vavaka ho an'ny firenena
Ray ô!
Raha sitrakao,mba henoy ireo talaho.
Sy fitarainana isan'ora.
Fa ny adinay tsy mora.
F'isan'andro isan'andro,na maraina na atondro
Efa mila ho kivy fo,mba tantano Ray Tsitoha.
Mba tantanonao tsy ho very.
F'aza avela handeha irery.
Na ho trotraky ny ady...mitalaho re,miangavy.
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/trano-atsimo-sy-avaratra-izay-noana-fahano | TRANO ATSIMO SY AVARATRA, IZAY NOANA FAHANO! | AbouNusrayni | TRANO ATSIMO SY AVARATRA, IZAY NOANA FAHANO!
1.Ny hazo no vanon-ko lakana anie,
Ka ny tany naniriany no tsara!
Raha mivoaka ny olo-mibosesika be,
Ny fanabeazanareo no efa tara.!
2.Ny antso avo atao amin’ny tolo-tanana
Mbola betsaka no tsy maheno.
Na tele na radio mbola be ny tsy manana
Mba lazao ny any ambony… ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/any-am-pasana-aho-miandry-anao | ANY AM-PASANA AHO MIANDRY ANAO | NY HERIMAR | ANY AM-PASANA AHO MIANDRY ANAO
Izao mitatao vovonan'ny alina izao,
Ny vatako tontolo kontsan-dranomaso;
Ka veloma madinika fa vonon-kandao,
Aleo mba hialako ity tany be ankaso.
Nitia anao ny foko, naniry anao ny saiko,
Tsy fantatrao anefa ilay foko torotoro;
Niezaka ihany nanome izay haiko
Saingy niongo-pitia, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/mpandresy-ianao | MPANDRESY IANAO | NY HERIMAR | MPANDRESY IANAO.
Ho an'i Elodie JR,
Manantena aho fa vatana tomady
no mandray sy mamaky ity taratasy ity;
Mino ihany koa fa fo lavitr'ady
no bitsika reko manakoako aty.
Tsy lava resaka aho fa hahitsy hatrany,
Hanazava aminao izay tebitebin-tsaina;
Mpandresy ianao na sendra tomany,
Atreho mangina f'aza mitarain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/porofom-pitiavana-tokony-hampibitaka | POROFOM-PITIAVANA TOKONY HAMPIBITAKA… | AbouNusrayni | POROFOM-PITIAVANA TOKONY HAMPIBITAKA…
1.Tiako ianao ka de tsy mba vangiako
Na dia manina aza aho ihafiako
Ny fahasalamanao tsin’na no iriako
Ny fihavanana akory tsy ho ariako.
2.Fa ankehitriny lasa mari-pitiavana.
Ny tsy mba mitsiditsidika ny havana.
Tsy azo atao akory na ny hifampitazana
Ny mivoaky ny trano ar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/mijanona-ao-an-trano | MIJANONA AO AN-TRANO | AbouNusrayni | MIJANONA AO AN-TRANO
(NY SAINA)
1.Zava-doza ity mandalo,
Fandringanam-pahavalo
Ka mifona re, mivalo,
Fah’salamana aza atakalo.
(NY FO)
2.K’izahay anie mitady,
tena mbola mafy ady.
Efa miavosa ny tinady
Mila hampisara-bady!
(NY SAINA)
3.Mba tsy ho tojo izay angano,
Ka an-dranomaso no hilomano;
Ny zaza anar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/firenena-mandroso | Firenena Mandroso | Cat | Firenena mandroso no mba handrandraina
Nefa saina maloto no entina sy zakaina
Firenena manao ny marina sy ny rariny no irina
Mba hanatontosa izato faniriana
Fa tena te hiaina fiadanana marina ve??
Fa toa loto etsy sy eroa mameno ny saina
Feno kolikoly sy mba miseho mirehareha
Ka simba ny fitondran tena sy ny fom... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/mbola-ho-avy-ny-andro | Mbola ho avy ny andro | Vetso mena | Mbola ho avy re ny andro
Fa aza dia mora kivy
Aza dia manganohano
Fa ho eo ilay mampitsiky
Mbola ho avy re ny fotoana
Fa miandrasa ihany aloha
Ka aza manaonao foana
Sao tsy hahita izay mahasoa
Mbola ho avy izay niriana
Ka handravaka ny ho avinao
Mbola ho eo izato olon-tiana
Fa aza dia manabe talaho |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/mbola-ho-ani-bavy | MBOLA HO AN'I BAVY | Baraingo Valo | Aza maimaika ny hamaly "Eny"
Raha misy tovolahy te hiaraka aminao.
Fa fantaro tsara aloha ny tanjona kendreny
Hoe tena tia tokoa ve sa fotsiny hilalao?
Koa raha ohatra hilalao dia tonga dia ilaozy
Sahia avy hatrany mamaly hoe "Tsia!"
Aza avela otazany ilay felan-draozy
Sy vonim-boahirana ao am-pon'indria!
Ny to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/sovenira-mamy | SOVENIRA MAMY | Baraingo Valo | Malala a! Tiako be ny bangom-bolonao anio
Toy ny bangom-bolon'ny mpamonjy mariazy.
Reko manitra ao ny menaka voanio
Sy ny menaka oliva izay nohosotra azy!
Endrey izany foko, tretrika sy faly
Tsy mety tafatombina fa potika sy taitra,
Nahazo vehivavy gasy natoraly
Tsy misy "maquillage" nefa manja sady raitra...
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pentina/mpiasa-dia-patr | MPIASA DIA PATRÔ | pentina | MPIASA DIA PATRÔ
Salama Patrô hoy ity mpiasa iray
Nijoro teo anoloana, nitehina an-databatra
Tsy niarahaba akory izy niditra otrizay
Tena feno fahavononana hita mihintsy ho tsy niambatra
Inona ny anao, hoy ilay Rangahy niketrona tsotra izao
Mihemora iray metatra dia lazao ny antondia
Ary amin'ny ao aoriana dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/soa-fagnahy | SOA FAGNAHY... | AbouNusrayni | IZAHO RO SOA FAGNAHY!
1.Ianareo tapaka sy namana,
Ilay mpifankahita iny,
Ela tsy nidona tanana
Aoka re tsy ho tsiny
2.Tsy hoe akory efa tafita
Ka hanadino ny sakaiza.
Miady mafy ka tsy hita.
Efa maro koa ny taiza.
3.Aza de lazaina miavona
Raha hoe tsy rere feo.
Ny fijery mila aravona.
Fa sao mibirioka eo
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/koditra19 | KODITRA19 | AbouNusrayni | KODITRA19
1.Tsapa ankehitriny ary hita miharihary
Fa isika olombelona marefo avokoa
R’hefa tojo ady sarotra mahatsiaro ilay Nahary
Ny fiantsoana vonjy aminy indro tsy afaka ao am-po..
2.Lasa miasa saina mila tsy hahalany vary.
Mandinika ny ampitso sy ny hiafarana koa.
Raha izao ve no mitohy hisy zavatra hanjary.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fandresena | FANDRESENA | Fredy Jaofera | FANDRESENA
Zava-nitolomana
nahitan-tangena
vao tsara omana
'zay fandresena.
Zava-nisasarana
be ezaka sy asa
vao hisantarana
'rony kasakasa.
Zava-nikirizana
nanahirana avy
efa nahamizana
na nampanavy.
Zava-nivavahana
ho azo lalandava
zary fangatahana
ela tato am-bava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/azo-ifanarahana | AZO IFANARAHANA | Fredy Jaofera | AZO IFANARAHANA
Azo ifanarahana
ny zavatra rehetra
rehefa tia tokoa :
lavi-panebahana,
hay asiana fetra
ny adiady aloha.
Azo ifanarahana
ny disadisa maro
rehefa te hitafa
fa tsy fisarahana
ka manafangaro
hevitra hafahafa.
Azo ifanarahana
'zay tigetrantsika
rehefa ifanekena ;
misy fivavahana
tsy hita ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/miverena | MIVERENA | Hajanirina Mahavaly | Miverena ianao ry zanaka nania
Ny feon'ny Tompo no miantso hoe avia
Hialao ireo fahotana sy hadisoana marobe
Fa nalatsany ho anao ny rany tao Getsemane
Miverena ianao ry ilay be siasia
Manatsotra tànana aminao Jesoa tia
Aza be fangatak'andro amin'izao fiainana izao
Anio mibebaha, aoka izay ny ditranao
Miverena ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gauss/fitia | FITIA | Gauss | ..FITIA
angamba raha tsy ianao ry tiko
no niankinan'ity foko
dia zava-poana ny fisiako
manin.dava mitoloko
raha tia ny tina de mba tiko
ianao wanah ny faniriko
ianao mandao aloha de halako
satria ianao no tena namako
aza omena tsiny ary aho
raha namisavisa anao
nandritra ny ora maro2
nandefa saina nifangaro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/coronavirus | CORONAVIRUS | Fredy Jaofera | CORONAVIRUS
Areti-mangina
mampihorohoro
feno haratsiana
no indro mijoro.
Areti-mamely
ny tany rehetra,
saintsaino kely
fa te hitoetra.
Areti-mamery
ny olona maro,
na inona hery
misy, fantaro !
Areti-mamono
mila ny vavaka,
tsy afa-mifono
ito fangataka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/sambatra | SAMBATRA | MAHEFALISON | Sambatra ianao!
Sisa angamba izay no mba singam-pifaliana
Entiko hanamaivana ny foko efa sina,
Izay no azo avoitra anaty
Hahalevona ireo tsy tanty.
Fa ankoatr’izay,
Toa nandoro nanafay
Ireo takaitran’ny tantara
Zary hantsam-be nampizara
Ireny tanantsika roa
Nantenaiko tsy ho lo.
Saingy indrisy
Fa fo iray mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gauss/corona-virus-covid-19 | CORONA VIRUS / COVID-19 | Gauss | CORONA VIRUS / COVID-19
areti.mandoza namono olo.maro
saro.pehezina raha toa tsy de mailo
manery ny olona tsy iala ao an.trano
manidy fiangonana sy ny ara.tsôsialy
mampalaelo ny horohoron'ny rehetra
rehefa ny virus no miakatra an.tsehatra
mihidy ny tsena ,mihidy ny trano
laharam.pamehana ny aina @ maro
nametra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/nofim-pahasambarana | NOFIM-PAHASAMBARANA | Tara-masoandro | Nahiratro ireo masoko, niandrandra indray ny lanitra
Ny masoandro dia namiratra, ny rivotra koa manitra
Nidoboka ny foko, dia nitsiky koa ireo molotro
N'oviana ko tsy takatro, ireo feo izay ren'ny sofiko.
Horakoram-pifaliana an-jaridaina kanto
Mozika tena mamy arahim-peo milanto
Misy koa mandihy, ravoravo miran'e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/tsy-mbola | Mikalo nantenaina | Tsy mbola tonga lafatra aho,
Fa...
Mikiry fatratra,
Ny mba ho olombanona.
Tsy mbola tonga lafatra aho,
Fa...
Tia mandefitra aminy fiainana.
Tsy mbola tonga lafatra aho,
Fa...
Raha misy ny tsy satry,
Mety ho kivy koa indray 'ndray.
Tsy mbola tonga lafatra aho,
Ka tsy afaka ny hiambo,
Ho mahavita izao sy 'za... | |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pentina/ny-kanto | NY KANTO | pentina | NY KANTO
Tsy zava-tsarobidy
Anaty vata mihidy
Ho raikitra tadidy
Na zava-maro soa
Mitara-batosoa
Izay lafatra tokoa
Tsy vola iray sarety
Na biby tsy omby fefy
Na volo lava be tsy mihety
Na hafaliana sesehena
Na bolongambolamena
izay tsy hita eny antsena
Na hoe teny miady rima
Tsy misy mpanakiana
Ka mando... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/rehefa-ho-tsapanao | REHEFA HO TSAPANAO | NY HERIMAR | REHEFA HO TSAPANAO
Nidelira izy fa tsy noraharahianao,
Nitia anao fatratra, nojerena tamin'izao;
Ilay fony nankafy, natositosikao,
Ilay fony tena tia, norovitivitinao.
Nitalaho izy fa nataonao ho adala,
Fampirafesana aza no nasetrinao izany;
Niangavy izy, ninia tsy nahalala,
Niaretany avokoa ny toloko sy tomany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gauss/hanatra | HANATRA | Gauss | HANATRA
aza miandry efa voa
vao mahay miverin.doha
latsa.nenina t@ vita
hoe takizay aho tsy naditra
ditra havako vita foana
fa mba jereo ny hiafarany
tsy ilay manoloana
fa hatrany aorina any
mivavaha sy mikiriza
dia jereo lay nahabe
rehefa ngeza ianao mirija
valio soa ireo lehibe
antenaiko ianao tsy ho ver... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niriaiko/takaizinny-hazavana-r | TAKAIZIN’NY HAZAVANAR | NIRIAIKO | TAKAIZIN’NY HAZAVANA
Raha mitombo iray ny ranonorana
Nianjady tamin’ny tena
Dia zava-droa loha no miontana
Ny maina sy ny lena.:
Mifaly velonaina
Nahazo taona andraina…
Fa mitombo horohoro ahy
Mihena ny andro ivelomana.
Manatona tsy hay
Ary toa tsy hampihomanana
Ny oran’ny fandraofa
Ny velon-tapitrandro.
H... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/poezita/aindrako-ny-aingam-panahy | AINDRAKO NY AINGAM-PANAHY | Poezita | Indreo tazako hafa loko
Natiora tsy mitovy ny ahy
Miontanà ianao ry foko
Aindraho ny aingam'panahy!
Jereo izato izy,toa tadio
Ipaoka ireo tsiahy!
Kanefa izao no tadidio
Aindrako ny aingam-panahy!
Jereo izato izy,tonga masika
Toa fihavin'ireo fanetralahy!
Fa ny diam'peniko tsy ho entin-driaka!
Aindrako ny ain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/tsy-niamboho-adidy | TSY NIAMBOHO ADIDY | MAHEFALISON | Atero foana ny anjara voninkazonao
Hamerovero manitra eo an-doham-pasany eo!
Fa raha izay tsiambaratelon‟ny rà nandriaka teo?
Tsy hotantarainy aminao!
Arotsahy foana ny ranomaso fahatsiarovana
Hanamaivamaivana ny tsiahianao mangina!
Fa raha izay porofon‟ilay Tantaram-pahoriana?
Tsy hambarany aminao. Ianao foana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafanoharana/raha-misy-manome | Mahaiza misaotra | Rafanoharana, Bolespara | Raha misy manome
Zavatra ho anao
kingà miteny hoe
Misaotra tompoko ô
Ny akoho misotro rano
Na be na kely eo
Avia ange tazano
Diniho sy jereo
Zay azo no andrandraina
Fisaorana no atao
Rankizy, mbà misaina
Ambaka ve ianao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/loatra | LOATRA | Mikalo nantenaina | Malala A!
Any ianao any...
Asa ra mahatsiaro toa ahy
Fa ny foko mbola tia
Te ho eo anilanao,
Fa tsy misy ny azo atao
Satria tiko loatra ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/ngotingotin-jaza-adala | Ngotingotin-jaza adala! | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | Ngotingotin-jaza adala!
JESOA Ô!
Mba jereo fa mitaraina
Ity foko mitalaho,
Aza avelanao hangaina
Tômpo ô aza ilaozanao.
Tsy tsapanao ve ny alaheloko
mitambesatra aok’izany?
Eny, ekeko aho fa meloka
Fa mba amindrao fo ihany.
Dia adin-tsaina, fijaliana…
No ianako hatrizao,
Tsy mba misy fifaliana,
Fa sento la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/hoanny-tia-fa-tsy-tiana | HOAN'NY TIA FA TSY TIANA | Baraingo Valo | "N'abandonne pas celui qui t'aime pour celui que tu aimes parce que celui que tu aimes pourrait aussi t'abandonner pour celui qu'il aime..."
Aza misisika amin'izay efa fantatrao
Fa tsy ho anjara akory rehefa any aoriana.
Aza misisika hiaraka aminy fandrao
Ka mainka hampitombo izato fahoriana!
Ny fiainanao no ketre... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/ny-fitiavantsika | NY FITIAVANTSIKA | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | Ny fitiavantsika
Fotoana fohy fa sarobidy,
Nitondra fitahian-tsoa,
Nanova ho mamy ny nangidy,
Ny fihaonantsika roa.
Fa fo mivady no tafaraka,
Tia sy tiana tafaray;
Ka fitia tsy mety raraka
No hampiray mandrakizay
Lavo teo ny sorisory,
Nisinda koa ny fijaliana;
Vita ny andro nahaory
Fa tonga izao ny fifalian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/havaoziko | HAVAOZIKO | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | HAVAOZIKO
Ny fianako taloha,
Nifandimbiasan’ny ratsy tsy mahasoa
Noho ireo safidiko tsy araka ny anao
Kanefa Ianao Jesoa
Toa tsy mba sasatra
Niantso ahy hatrany
Mba hateraka indray
Ny mbola ho avy koa
Tsy mbola fantatro izay mety hiseho
Fa ny hany tokiko dia Ianao hamonjy ahy
Ka hiezaka aho Jesoa
Ny tsy ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/nankaiza-ianao | NANKAIZA IANAO? | MAHEFALISON | Nankaiza ianao ry kolontsaiko
Fa toa ry “Vola mianakavy” ihany
no mitotorebika isan‟andro?
Sa lany? Lany ve ny Jiro nanazava anao
hatramin'izay ka hatramin‟izao?
Nankaiza ianao ry kolontsaiko
Fa toa jenjim-pitadiavana ity Tany misy anao?
Banjino dia jereo fa mihamaty ny “hiranao”,
Nataony aiza kay ny endrikao? ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/tao-anaty-haizina | TAO ANATY HAIZINA | Baraingo Valo | Valaka fotsiny ny aho ny mandrehitra jiro
Fa tsy mety mahita izany hazavana,
Noho ity fiainako tsy mety matsiro
Fiainana haolo ka tsy mahatamana.
Mitombo isan'andro ny ady sedraina
Ka mila tsy ho zakan'ny lohako intsony,
Kely ny sisa dia harary saina
Sy ho bokan'ny aretina tsy mety mitony.
Ny fiainana mihitsy v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/ny-zanako | Ny zanako | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | Ny zanako
Vao mifoha olona tsy vaky masoandro
Vao miala am-pandriana fa maneno akoho
Dia indro aho vonona hiatrika ny andro
Saina amam-batana, fanahy sy fo
Hiasa sy hikaroka izay mahasoa
Hamelona ireto menaky ny aiko
Tsy hitsitsy aina, handany rondoha
Hampiasa izay hevitra tratran'ny saiko
Fa noho izy ireo ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/ity-tononkalo-ity | Ity tononkalo ity | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | Ity tononkalo ity
Ity tononkalo ity
Dia atolotro ho anao
Ho tsiaron'ny fitia
Izay mitoetra hatrizao
Mivaivay toa fery anaty
Mandoro ny aty foko lalina
Ilay hafatrao toa zary vatsy
Mamelona ahy andro aman'alina
Ireo vazivazikelintsika
Mampihomehy fa mahagaga
Fa ando toa mitondra hatsiaka
Mampitony fo maratra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo-nantenaina/ho-neninao | HO NENINAO | Mikalo nantenaina | Nitia ianao kanefa...
fitia an-tendro molotra,
no nambabonao ny fony!
mantsy nitia anao izy...
ary tsy an-tendro molotra,
na fitia an-tendrompo.
fa ny azy ilay fitia...
nioripaka tao anaty
ka tsy misy mahavono,
tsy misy afaka hioty
ilay raozy novoleny,
fa ianao irery ihany
no nomeny ny fanalahidin'ilay zari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ilay-mba-fahaizana-kely | ILAY MBA FAHAIZANA KELY ... | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ilay mba fahaizana kely,
tsy lala dia lasa ambony,
tsy hahatonga ho modely,
na hitroatra ianao na tony.
Ilay fahalalana tena bitika,
tsy ampy hampitraka akory;
tsipindy tokana, dia mipitika,
resy midaboka matory.
Ny zavatra vitsy mba hay,
tsy dia hita misongadina;
toy irony fatana kitay,
azo ekena, azo lavin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/preziozimanta | PREZIOZIMANTA | NY HERIMAR | PREZIOZIMANTA
Na ho latsaka mbamin'ny volana,
Na haniry nify mbamin'ny akoho;
Ho reraka fotsiny ianareo...
Tsy ny fahangiran'ny rano
No hamaritana izay fahadiovany;
Lalina ny marina...
Tsy ny fijoalajoalan'ny mangahazo
No hilazanao azy fa vokatra;
Ny vato tsy milomano...
Tsy ny tsiky izay asehony
No manambar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-misy | TSY MISY... | NY HERIMAR | TSY MISY…
Tsy misy fo roa tena tia
Ka samy tafiaraka hiara-hisalahy
Fa na ny iray potika, ny iray maniasia,
Miatsara velantsihy, manafim-panahy.
Tsy misy fo roa tena miara-midoboka
Hanome bitsika iray ho akom-pitiavana
Fa na ny iray manjono, ny iray mijoboka,
Ny andrasoandraso no solom-pandavana.
Tsy misy fo r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/mbola-ho-lava-ny-alinao | Mbola ho lava ny Alinao! | MAHEFALISON | Mbola ho lava ny alinao
Ka manofisa mamy aloha
Ry Tanindrazana malala
Ambaram-piarinao mifoha.
Mbola fy koa ny ‘’Torimasonao’’
Ka tsy azo kotabaina
Sao hahalasa adala
Ny fanahy sy ny saina.
Mbola ho lava ny Alinao
Ka miverena matoria
Ry Vahoaka sasa-miarina
Fa mbola lavitra ny Dia.
Sady tena kitroka ivelany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/fiekem-pinoako | FIEKEM-PINOAKO | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | FIEKEM-PINOAKO
‘Zaho mino an’Andriamanitra,
Nanao ny tany aman-danitra
Mbamin’ny voahary tsisy fetra;
Rain’ny olona rehetra.
‘Zaho mino an’i Jesoa Zanany
Ilay faradinan’ny fitiavany,
Nanetry tena ho ambany
Hamonjy ny olona eto an-tany.
‘Zaho koa mino ny Fanahy
Ilay mpanala ahiahy,
Sy Mpitsilo, Mpanazava
Mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/razandry | RAZANDRY! | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | RAZANDRY!
1. Jesoa: Nahoana ianao razandry no dia mibahan-dalana?
Tampotampoka eo, milaza fa tsy tia;
Toa tafandry mandry eo an-tsasa-dalana.
Mifohaza teo, tohizonao ny dia!
‘Zandry: Izaho anie Razoky, mba te hikasa ihany
Hanao izay sitrakao, handroso hatrany hatrany;
Fa mampanary toky ny sompatry ny tany
Ka iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/tohy | Tohy | Karako | Hanatitra sy hitsena toy ny fanao fahiny
Manao maty hitsaka iny lalana iny.
Hitantana anao, toa menatra fa sambatra
Mamboraka fitia na bada sy miambatra !
Hanetsika indray ilay tadin'herinaratra
Ilay fanaontsika raha te-hilaza hafatra.
Hafatra mafonja, koloina sy enti-maty :
Ny fitiavako anao dradraiko sy aranty... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randrianarimanana-jean-jacques/fihary-ny-harena-marina- | FIHARY NY HARENA « MARINA » | RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques | FIHARY NY HARENA « MARINA »
Ny harena ve ?
Tsongo anana andro ririnina :
Tsy misy iangarana, tsy misy hoe ambinina
Fa izy mahatsindrotsindroka,
No mahafeno harona.
Ny harena ve ?
Tsy inona akory fa tsimpo-tain’omby :
Tsy misy voahozona ka hoe tsy hahomby
Fa izay mahatsimpontsimpona,
No mahafeno sobika.
Ny ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laza/veloma-neny | Veloma Neny | Laza Andriamalala | Hommage à la mère de Aina Nandrianina
Tsy aiko ny tsy hiteny
Sy anambara ny ato ampoko
Fa feno loatra ry Neny
Ka tomany sy toloko
Ity zanaka tsy mba nahafoy
Nahoana re no nilaozanao
Mbola manantena iròny
Anatra avy aminao
Ditsoka ny maso mitoloko mangina
Mamerina ireo hanihany fifaliana
Tsy hisy hahasolo ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niriaiko/vadiko | VADIKO | NIRIAIKO | NY VADIKO
Ny vadiko ?
Tiako
Sy malalako :
Anjarako !
Nitsirian-janako.
Hajako ka tanako.
Sanda sady anton’ny fisiako,
Aina sady haingon’ito faniriako.
Namana matoky amin’ny zotran’ny fitiavako
Fa mila ahy ho toky sy ho sarotron’ny fitiavany.
Hany mahazaka ahy ho sandan’ny finiavany
Tena aim-panahy ho ahy sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ny-silamo-sy-ny-rano | NY SILAMO SY NY RANO. | AbouNusrayni | NY SILAMO SY NY RANO.
1Misy lohahevitra - haroso anao indray.
Isan’ireo zavatra - tsy dia be mpiteny.
Misy soa toavina - amin’ny finoanay.
Mitera-bokatsoa - mihanaka ombieny.
2.Ny olona rehetra - dia samy mba midio.
Na inona finoany - na inona fiaviany.
Fa ny silamo kosa - dia atoro anao anio.
Tena tompon-dak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravanondrazana/aleo-ny-fo-hangina...-rah | TSAROANAO ANDROANY | Ravanondrazana | Aleo ny fo hangina,
Raha sendra ianao tomany, nilaozan'olo-tiana.
Ianao maniry hotiany,
Nefa mihamatsatso, ka harorany sy hariany.
Aoka hisaina lalina,
Raha misy milavonjy, mangataka ho tiavina.
Moa tena tia ve izy?
Ekeo ny anjara ratsy, raha vao diso ny safidy...
Aleo aloha mandà,
Raha mbola ditra foana, no s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/sava-ranon-dolana | Sava ranon-dolana | Raomy | Namerina namaky ity rango nimpirina fotsiny tao anaty vata nandritry ny taona
maro aho. Nisento tokana tokoa aho satria toa mifanaraka ihany amin'ny zava-
misy iainan'ny Malagasy amin'izao fotoana izao ilay rango vita an-tsoratra taona
maro taloha.
Jery todika tsy mivatravatra no niandohàny teo ary atolotra am-piti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/aminao-aho | AMINAO AHO... | Joda Razakasoa | AMINAO AHO...
Aminao aho mahatsapa ny lanjan'ny fitiavana,
Aminao aho mitia amin'ny foko manontolo...
Tsy haiko ny hamaritana ny tena hasambarana
Fa aminao aho manolotra ny fitiavako tontolo!
Amiko ianao...silan'ilay silako!
Mafanafana izany ny ao anaty foko!
Rehefa injay mamihina ny vatanao malia...
Ny tsikina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raomy/dotram-piainana | Dotram-piainana | Raomy | kotro-baratra avy anaty?
... dia nibosesika nivoaka
itony sento mpanakora
toa nitazana ahy nijaly
sy nandoro mena 'reto masoko
... tsy avy miaina ...
... toa afak'aina
raha mitohy tapitr'aina
k'aleo hivoaka
sao hiofo ho dinitra sy ratra...
... raha ao anaty tsy miloaka!
hovitrovitry ny vatako
vahobahotry ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fitiavako-anao | NY FITIAVAKO ANAO | Fredy Jaofera | NY FITIAVAKO ANAO
Ny fitiavako anao dia tsy tahaka ny rehetra :
mitombo eto moramora no tsy ahitana fetra,
mamerovero ombieny fa tsy zary mihalefy
ary mbola tsara paika no hany tsara tefy !
Tsy mihavasoka ery fa mamiratra lalandava,
vokatry ny fo fa tsy mbola hatreo am-bava,
tsy ho tonta velively fa mainka mihav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/raha-fitia | raha fitia | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | RAHA FITIA!
Raha fitiavana mandalo
no hangalaranao ny foko
mbola maro tena maro
ny fo tsy manan-tompo
raha fitiavana amam-bolana
no hitoeranao anilako
dia lalan-kafa hizorana
fa any ho any misy silako
Raha fitiavana tsy aharitra
no atolotrao ny foko
aza dia finaritra
mitia an-tsokosoko
raha fitia feno ada... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/celestinmyrai/vavaka-politika | vavaka politika | H.J Myrai | Vavaka politika
Zanahary o !
Ampio re izahay
Ataovy feno loza ‘ty tanindrazanay
Mba hahafanay miseho
Manampy ireo traboina aveo
Dia ireo mahantra koa jereo
Aza avela androso ireo
Mantsy izahay ho very lapa
Raha ireo no ahazo laka
Ny fahandriam-pahalemana
Aleo mihitsy tsy hilamanina e!
Mantsy izahay ho very ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/tokatrano-sambatra | tokatrano sambatra | cedarf | ry vadiko any foana no misy ny fisainako
iny isika telo miaradalana no tanjoko
eo antratrako ny zanako, ianareo no fiainako
anilanao ry vadiko, misy mba mijery ny bika sy ny akanjoko.
tsy nofy no tsy ho ela, fa andro no isaina
hitoetra tsy ho foana lay andro nirariako
hiriaria isika,hitaiza anao aho sombin'aina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/toky-fitaka | toky fitaka | M'art-son Emmanuel | notehiriziko tato am-poko alahelo
'zary ondana ny ranomasoko ny alina
r'indro aho mahatsiaro fa notsipahinao
mbongo-maso misento
mila tsy ho tafarina
no namaranako ny lalao
toky fitaka ry'nao toky fitaka
naleko nampionon-tena nisitaka
hanandino ny dina nifanaovana
fa toky fitaka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/ry-tanora- | Ry Tanora ... | Cat | « Ne te suicide pas, s’il te plaît. JE suis mort pour toi "
PAPE FRANÇOIS
Eee ry tanora namana
Raha sanatria ianao very hevitra
Te hahita izay hahasoa
Nefa kely ny eo am pelatanana
Dia tadidio fa finoanao Azy no hahitanao voka tsoa
Ry tanora zoky
Raha sanatria narian ny olon tiana
De aza mamoy fo
Fa antanjao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volan-tantely/resa-pesiboky-asa-na-ana | RESA-PESIBOKY | volan-tantely | RESA-PESIBOKY
Asa na hanao ahoana ny tohin’ny tantara
Fa tsapa tato ho ato hoe lasa be kafara
Amin’ny resa-pesiboky
Ilay malalanao
Ka tsy misy intsony toky
Sy teny mamimamy fa ady lava izao.
Dia asa na hanao ahoana ny fifandraisana ao
Fa ny hita tato ho ato dia tsy mety mihavao
Ilay voady izay nomena
Hatramin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/ratovovavy | RATOVOVAVY | Hatenaina | E !indrisy anie ra tovovavy
Fa toa maika loatra izato izy
Tsy vodiondry tsy mariazy
Sa maika hitaiza ankizy ?
Niangolangolany ianao dia tavela
Nitositosiny ianao dia taraiky
Tsy fantatrao anefa fa efa tena ela
Ianao no tiany mba hanaiky
Hanaiky hanaovany ny hadalany
Satria heveriny ho sanana
Nefa tsy omeny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fetinny-mpifankatia | FETIN'NY MPIFANKATIA | Hajanirina Mahavaly | Aza variana na sodoka amin'ity andro ity
Andro laizaina ho fetin'ny mpifankatia
Feno hetsika avokoa etsy sy eroa
Hetsika natokana ho an'ny olon-droa
Ny ambadik'izy ireny moa ve mba fantatrao?
Ts'inona izany fa fitadiavam-bola tsotra izao
Aza miandry fotoana manokana hifanolorana fitia
Tsy manam-petra ny fitiavan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-mangina | IZAY MANGINA | Fredy Jaofera | IZAY MANGINA
Izay mangina,
volamena,
na rahoviana
ka hosena !
Izay mangina,
tsy ho resy,
na haratsiana
no misesy.
Izay mangina,
hendry be,
na habibiana
'zay aleha.
Izay mangina,
hosoavina,
na fitsitsiana
no diavina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/akonny-taram-pitiavany | AKON'NY TARAM-PITIAVANY | Tara-masoandro | Hatrany amin'ny faka-lalin'ny fisiako,
No handrenesako ilay feo, mikalo maivana ny hiran'ny diavolana sy ireo kintana
mpanazava ny tontolon'ny haizina.
Mikimpy aho, mankafia ny hafanan'ny taram-pitiavany,
Izay manalefaka indray ireo tady nihenjana vokatry ny tolona tamin'ny hasiakan'ny tany.
Tsapako mivaivay hatra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/mainty-mira-fotsy | Mainty mira fotsy | Djaw | Mizaha anteña karaha mahita raha mazava !
Fotsy ! Mamirapiratra karaha fanjava !
Fanjava mariñy raha hitako ty, keh mety maty !
Ary raha maty, tsy hay mañavak’izy amin’andra aligny.
Mizaha anteña karaha mahita laboly fotsy oe !
Nefa raha adoso fôñony, gaga mahita atiny jôby be !
Karaha mahita tsaiky mañangy sasan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/ny-fanantenana | Ny fanantenana | Cat | Ny fanantenana no hany mba hananana
Rehefa injay hahilikiliky ny hafa
Dia tsy mba kivy fa toa vao mainka miadana
Satria nahita namana tsy mba miafahafa
Ny sisa azo atao raha mbola velon aina
Dia ny manantena hatrany hatrany
Satria ny olombelona manana tanjona rehefa miaina
Dia ny hahatratra izany tanjona izany h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ianao | IANAO | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Sakaiza a!
Ianao nitsabo ratra
Nanala sorisory
NAVALONAo ny lasa
Mba tsy tsaroako intsony
Ianao ilay sakaiza
NandRAVAKA ny fiainako
Tsaroako n'aiza n'aiza
Fa HAINGOn'ny fisainako
Ianao ilay SALOHY
Nisedra izay nidona
Enga anie hitohy
Ny FITIA izay noKOLOINA
Ianao ilay voninkazo
Iray tsy hadinoiko
Fa FELA... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/tanora | Tanora | Cat | Hatanorana feno tsiky lalandava
Na mafy na mora de zakaina
Hatanorana feno hafaliana lava
Na dia misy alahelo foana rehefa miaina
Tanora ianao, aza avela hanjaka
Aminao ny haizina sy haratsiana
Fa miadý amin ny ady tsara dia mitrakà
Mba ho tena fitaratra eto amin izao fiainana
Hararaoty ny fahatanorana
Hanaova... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aty-aminao | ATY AMINAO… | RRAG | ATY AMINAO…
Aty aminao no misy ny foko!
Aty aminao ‘lay fitia tsy miloko!
Ilay nandrandraiko hanohana ahy,
hatrany amin’ny faran’ny atim-panahy.
Aty aminao ‘lay fanalahidy,
hahafahako mandranto ‘lay fitia lafovidy,
mamatotra mafy ny atim-panahiko.
Raha tsy eo ianao toa tsy ho sahiko!
Aty aminao ‘lay fanantenan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-aliko | NY ALIKO… | RRAG | NY ALIKO…
Indrisy mantsy ry maraina,
fa mbola ràtra noho ianao,
no indro entiko miaina,
mamaky irery ny raorao.
Ka ny aliko indray,
no toa voatinery hitolomana,
hifanotofa-mba tsy ho may,
mba hiandrandraiko fivelomana.
Ny aliko aza toa hafahafa,
ririnin-dava eny foana.
Zary tsiahin’irony lasa,
‘lay nanototr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fx-mahah/miovaova-ny-taona | MIOVAOVA NY TAONA | Fredy Jaofera | MIOVAOVA NY TAONA
Miovaova ny taona
fa tsy ny fitiavako
toy ny voamboana
sy jiron'ny tavako.
Miovaova ny taona
fa tsy ny tokintsika
mihamatotra foana
raha toa azo adika.
Miovaova ny taona
fa tsy ny voambara
'zay antoka moana
nampety ny anjara.
Miovaova ny taona
fa tsy ny fiadanana
nahay nampihaona
ka al... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/matokia | MATOKIA… | RRAG | MATOKIA…
Mananà fitokisana,
ny fonao ‘zay manantena.
Aza mora kivy,
raha sendra indray mianjera.
Apetraho an-tanan-dRay,
ny vavaky ny fo.
Dia ho foana ny ahiahy,
mamaky ny loha.
Mananà fitokisana,
ny talenta anananao.
Manana faharetana,
raha hitady zava-bao.
Manana fahasahiana,
hiatrik’ady mafy.
Amboary ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/rindra-tsy-hanindroa | RINDRA TSY HANINDROA… | AbouNusrayni | RINDRA TSY HANINDROA…
1.Indro tsinjoko avy lavitra - milatsaka ny orana.
Manao fiavy toa mifantina - mifidy tany ho lemana.
Mitsioka mora izato rivotra - ka tsy mba atahorana.
Manafosafo ity tava- sy ny masoko rendremana.
2.Dia tsaroako ilay teny - hoe ny fara-vodilanitra,
Nataony feno famantarana - ho an’izay ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-itomaniana | AZA ITOMANIANA | NY HERIMAR | Aza itomaniana.
Aza itomaniana aho
Rehefa tonga izay fotoana
tsy maintsy hodiako;
Raha mety dia lomaho
fa ho faty mora foana
ny alaheloko anao ry tiako.
Aza anenenana ireo lasa
tsy nampiray fo
Fa lahatrao ihany;
Ireo vinako kinasa
Avelao koa ho lo
F'aza arahina tomany.
00:00
MAROC |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-esoina | AZA ESOINA… | RRAG | AZA ESOINA…
Aza esoina akory
na latsaina avy
ny foko mba mitepo,
f’indrao dia zary sento
ny ranomaso halatsany.
Aza esoina akory
fa aleo mba haneho
ny kanto indrindra ao aminy
‘ty foko tia mivetso,
ny ferin’ny tomaniny.
Sanatriaviko ry raozy
‘lay voninkazo tsara voatra,
izay nanova ny omaliko,
Ka nahafaha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ny-lehilahy-tia-1.anda | NY LEHILAHY TIA… | AbouNusrayni | NY LEHILAHY TIA…
1.Andao isika mba tsy hisorona miteny.
Ka tsy hanamaivana ny resaka fitiavana.
Tsy ho avela vita mora fotsiny eny;
Ireo fiainan’olo-maro efa potika sy ravana.
2.Ho arovana ary ve ireo mpamadika,
No lazaina fa aza anarina imaso.
Raha ho resahina mitokana any ambadika,
Dia higalabona ireo mpanao ... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.