url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harena-mijoro-noah/impiry-aho-nozonina-nieza | Impiry aho nozonina nieza | Harena Mijoro Noah | Impiry aho nozonina niezahana ho lavo
Impiry aho no nenjehina ezahana ho potika
Impiry aho no araraotina ezahana ho gafiana
Impiry aho lazaina fa olona tsy tiana
Efa impiry moa ireo olona mankahala
Efa impiry fa odiko mody adala
Ezahako tsy henoina sy ho jerena akory
Rehefa reraka izy mangina fa ny fiainako mito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harena-mijoro-noah/zaza-kamboty | Zaza kamboty | Harena Mijoro Noah | I dada maty novonoin'olona
I neny vao teraka tsy nitempo koa ny fony
Izaho sy zandry sisa no miady aminy fiainana
I dada sy Neny tsy eo intsony hitarainana
Zaza Kamboty tsisy piahy izahay
Fa na ny havana aza manary tsy mandray anay
Fa izahay zaza manabe olana
Manelingelina ny fiaraha-monina
Mangataka sy mitsind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/any-ho-any | ANY HO ANY! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | ANY HO ANY!
any ho any misy fo,
toa tsy mbola manan-tompo
malefadefaka fitempo
ka maniry te-ho roa
any ho any misy hira
malefadefaka figadona
tononkira ampifanatona
ny fo tia sy ny tiana
ary injany tononkalo
mampanembon'olon-tiana
ary rindra-kalo miady rima
no mamelombelona ny tsiaro |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/stia/poeta-koa-ianao | POETA KOA IANAO | S'tia | Poeta koa ianao
Mahita ambara lava
Tsy mety hangina mihitsy
Na ilay rahona mainty toa lasa nisava
Fa ny teny omenao tena tsy mitsitsy
Poeta koa ianao
Manana aingam-panahy
Ka raketinao daholo izay tianao havoaka
Miteny ampasahina maneho fa tena sahy
Ka fenonao dahalo ireo rehetra laoka
Poeta koa ianao
Mahaval... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-mangina-tsy-miteny | FO MANGINA TSY MITENY… | RRAG | FO MANGINA TSY MITENY…
Efa ela no nihiboka,
fitia rakofa-misitery.
Efa ela ianao no drodroka,
ka mangina tsy miteny.
Efa ela no niandry,
izay entin’ny ampitso.
Toa efa tena sasa-niandry,
nefa nofy ka tsy hisy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangina-hono-izany | MANGINA HONO IZANY…! | RRAG | MANGINA HONO IZANY…!
Mangina hono izany
zanak’i Dada izany.
Mangina hono
fa aza mitomany.
Etsy fa fafany,
‘ty ranomasonao mirotsaka.
Aoka fa ho hakariny,
‘ty pataloa ‘zay miborotsaka.
Mangina fa izao
no vintana sy anjara,
efa hoe voasoratra,
tanatin’ny tantara,
lalovantsika mianaka!
Fa efa tendrin-dahatra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ianaoizaho-aty | ANY IANAO…IZAHO ATY… | RRAG | ANY IANAO…IZAHO ATY…
Any ianao,
fa izaho aty.
Ianao nandao,
nefa izaho mbola tia.
Lasa tsy niteny,
tsy nampilaza akory.
Mody tsy nijery,
dia nilongilongy.
Any ianao miriaria!
Ny ankizy aty toa miahy mahia!
Tsy misakafo, tsy mitafy!
Ianao anefa any an-dafy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manam-bintana-2 | MANAM-BINTANA | Fredy Jaofera | MANAM-BINTANA
Manam-bintana
'zay maminy ery :
tsy mila fintana
vao azony ny fy.
Manam-bintana
'zay olona tiany :
entin'ny kintana
ka ho to ny iriny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/vavaka | VAVAKA | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Jesosy Tompo ô, inty aho anio
Mpanota tsy mba mendrika ka raiso sy fidio
Endrey ty fahotana, tena hanenenana
>,,Eny ekeko izany fa fadio ny famerena''
Miangavy re ry Ray mba henoy ny teniko
Ny fahotana vitako tena hanenenako
Mifona sy mivalo fa tsy hanindroa
>,,Eny ekeko izany", misaotra Ray Tsitoha
Ny fanahy a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mianara | MIANARA… | RRAG | MIANARA…
Mianara raha mazoto!
Miavota rehefa kamo!
Aza tia misotasota,
amin’olona efa mamo!
Mitandrema ihany anefa,
fa tsy ho tsara avokoa,
ny safidinao rehetra,
fa mety hisy hahavoa!
Fa ny soa no eo ianaro!
Ny kanto no ‘ndao koloy!
Tandremo sao dia mifangaro,
ka ny iray tsy maintsy hafoy!
Mianara raha hah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ra-nalatsaka | RA NALATSAKA… | RRAG | RA NALATSAKA…
Alahadin-dranomaso,
haizin’ny tantara!
Alin-torimaso,
no nitondra ilay fambara.
Nitondra misitery,
nilanja ràn’ny fo.
Tolom-panafahana,
fa tsy ady faharoa!
Rà narahin’aina,
faty nisavovona.
Fahafahan-tsy hantenaina,
sedra tsy mitovona.
Taona iray nandalo,
fa volana nitoetra.
Fingam-pahavalo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mihevera | MIHEVERA… | RRAG | MIHEVERA…
Raha felam-boa mitsiry,
mandravaka tontolo,
na ravin-kazo maina,
ringa manontolo,
ka mihintsana mandrakotra,
ny tany karakaina,
no faka mbola iandrasana,
dia mba mihevera tena! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/asa-a | ASA A? | RRAG | ASA A?
Teny an-dakilasy, ianao teny anoloana,
no nisafidy toerana, hitombenanao.
Ianao ilay tsy tara, tsy diso fotoana,
voasoritra ho fidirana hianaranao.
Indray andro anefa, izaho no tonga aloha,
nanaraka ahy avy eo, tonga koa ianao.
Asa tara angaha, tara vao nifoha,
fa toa hoe, tsy nisakafo ‘ngaha ianao?
Nan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-azo | TSY AZO… | RRAG | TSY AZO…
Tsy azonao atao,
eny! Toa tsy ho vitanao!
Tsy ho efanao mihitsy,
ny hanameloka ny fo,
na ny hisakana azy hitepo,
ka tsy hiaraka amin’ny tiany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tra-boina-toa-jonasy | TRA-BOINA TOA JONASY | AbouNusrayni | TATITRA :
Rehefa ny vahoaka mpino no manajanona ny fampirisihana amin’ny asa soa sy ny fandrarana ny asa ratsy dia tsy misy vavaka ho raisin’ny Tompo intsony.
TRA-BOINA TOA JONASY ?
1.Raha vao naharay antso fa tafiditra ny rano ;
Mety mbola tsy dia taitra mahare izany teny.
Na mafy saina toa inona raha sendra ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fahanginany | NY FAHANGINANY… | RRAG | NY FAHANGINANY…
Misy dikany ihany ve, iny fahanginany iny,
elaela toa tsy re, tsy mba niantso ny olon-tiany?
Tsy taratasy hoe voaray, na antso an-tarobia akory,
sa kosa lahy dia efa may, ka zary levona ny fony?
Tsy azo vinaniana akory, ny hevi-mety hofonosiny!
Sarotra hodinihina aza, raha toa ka misy fofompofony,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nenina | NENINA… | RRAG | NENINA…
Ho an’iza anefa irony nenina,
raha sanatria tsy maintsy harodana,
‘ty fanjakana bodongerona,
manampatra ny tsy fahalovana?
Ho an’iza irony nenina,
raha tsy ho an’ny fo nitolona,
tan-tsipika sy lapely,
nentin-Gasy nimonomonona?
Ho an’iza koa ny hadisoana,
tsy nahafahana nandrava,
tanaty nofim-pandroso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozinny-foko | RAOZIN’NY FOKO… | RRAG | RAOZIN’NY FOKO…
Raha sendra sorena aho, ka mitroatra ny foko,
dia ‘lay zaridaina, miravaka loko,
no indro hizarako, ny fery tsy zaka,
mazefatra loatra, mihiboka ràtra!
Raha sendra tomany, na koa mahatsiaro,
dia ‘lay raozin’ny foko, no injao mikalo,
mivetso ny rotsy, mamelona ny aiko!
Ny antsany ihany, no fitoni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitady-anaran-jaza...-fizarana-faharoa | MITADY ANARAN-JAZA... | RRAG | MITADY ANARAN-JAZA... (FIZARANA FAHAROA)
Toa hoe hitera-dahy hono, ireo mpivady atsy atsimo o!
Efa tsy nanantena, no sady toa tsy nino,
fa efa nahazoazo taona, ireto izy mivady.
Ka nihevitra mihitsy fa, hoe momba sahady.
Dia ‘njay nifampidinika nitaditady anarana,
nanoko ireo litera, nandrafi-tsora-tanana.
Nifan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-azy | HO AZY? | RRAG | HO AZY?
Ho an’iza no hanoratako,
ho an’iza no hamoronako,
‘ty aingam-po ity,
‘Zay aingan’ny fitia?
Moa tsy ho azy ihany,
‘lay entam-poko manontany,
izay mihiboka ao am-pony,
raha toa fitia na lonilony? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/don-tandroka | DON-TANDROKA…! | RRAG | DON-TANDROKA…!
Indreo miaramila am-pitaovam-piadiana,
milahadaha-mahitsy dia misakan-dalana!
Tsy mba mahatsapa akory ny ivom-pijaliana,
sedrain’irony tapaka, havana sy namana!
Injay fa nahazo baiko, hitifitra sy hamono,
mamahamaham- basy fa maika ery ny handringana!
Ireto an-tanam-polo mihevitr’izany, fa mbola v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-veloma | ILAY VELOMA… | RRAG | ILAY VELOMA…
Aleoko misento, manembona anao!
Aleoko mivetso, raha tsy akaikinao!
Mitsiaro ilay veloma, ‘zay tan-dranomaso.
Narahin-tomany, nanoherana ankaso! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-voninkazo-hono-mantsy | NY VONINKAZO HONO MANTSY… | RRAG | NY VONINKAZO HONO MANTSY…
Ny voninkazo hono mantsy,
voa miavaka sy tokana!
Mamelombelona ny anaty,
na dia ireo mihosim-potaka.
Ka koloy ho kanto hatrany,
ho rava-jaridaina.
Ho endri-kanton-tany,
hamafa ireo taraina!
Ny voninkazo hono mantsy,
no mosoara fanindroany!
Famafa ranomaso,
novokarin-tsetra sy ankas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nefa-hatraiza | NEFA HATRAIZA? | RRAG | NEFA HATRAIZA?
Tsy hoe jamba izy akory,
na koa resi-tory!
Tsy moana velively,
ka tsy afaka hiteny!
Fa mangina tsotra izao,
miandry andro voatokana.
Misy vidiny mantsy,
misy lanjany koa,
irony fahanginany,
‘zay tsy voka-po.
Nefa hatraiza ny hasahiany,
hangina tsy hiteny,
manoloana ny habibiana,
miary fampi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-misy-fo-mitepo | RAHA MBOLA MISY FO MITEPO… | RRAG | RAHA MBOLA MISY FO MITEPO…
Raha mbola misy fo mitepo,
dia aoka izy handeha!
Aleo izy hiala,
fa aza avela hisento!
Aza avela hitomany,
Na hitaraina akory!
Fa mijaly loatra mantsy,
ka toa mamery ny aty fony!
Raha mbola misy fo mitepo,
na misy aza ràtram-po!
Dia aleo milefitra ihany,
fa ny ampitso mety ho soa!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eh-raha-mba | EH! RAHA MBA… | RRAG | EH! RAHA MBA…
Raha mba tsapanao,
raha mba renao,
ny fidoboky ny foko,
mihiboka fitiavana,
izay tokan-doko,
maniry anao ho namana!
Dia angamba ianao tsy hifofo,
na hikiry akory hamono,
‘lay fitia mitoetra,
‘zay hany tsy niofo,
tanatin’ny fonao!
Eh! Raha mba fantatrao,
ny hatevin’ny helohelo,
foiny ianao na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/feom-po | FEOM-PO… | RRAG | FEOM-PO…
Mibitsika mangina,
an’efitry ny sento,
ny hiram-pahoriana,
ataon’ny fo mivetso.
Mitomany sy manembona,
ny dingam-bitantsika,
ka zary resin’ny etona,
‘lay feom-po ‘zay mangatsiaka.
Feom-po ‘zay mampatsiahy,
ny lasa ratsy vita,
sy ny ràtra maro tsy hita,
mamery ny fanahy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-sedra | RY SEDRA… | RRAG | RY SEDRA…
Ry sedra tia miriaria,
fa rahoviana vao hifarana,
‘ty fihatsarambelatsihy,
arahinao ankasomparana?
Ry sedra aoka fa tsy ho efa,
aoka fa tsy ho zaka,
‘ty fitiavanao hanjaka,
anaty fiainan-tsetrasetra.
Mba jereo ireo mijaly!
Mba jereo ny an-tanany!
Eo jereo ny fananany,
‘zay vao mampijaly azy.
Ry s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitiavana | FITIAVANA…! | RRAG | FITIAVANA…!
Mbola zaza ianao, tsy mahalala akory,
‘zay sedra hinia handràtra, ny atinao rehetra!
Mbola tsy ary ianao, eny! Mbola resi-tory,
Dia mihevitra sahady hoe: “Efa io ‘lay fetra”!
Sinaingy tsy tsapanao, ny vesatra zogaina!
Miavosa ohatr’izany, tsy takatra isaina!
Ianao ‘lay mbola renoka, variana anaty nof... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hetraketraka | HETRAKETRAKA | Fredy Jaofera | HETRAKETRAKA
Hetraketraka no vitany,
hasomparana no tiany
fa izay ange no hitany
mitondra ny hafaliany.
Hetraketraka no takany,
fandravana no maminy
raha indro re ny lakany
mody asosan'ny laminy.
Hetraketraka no heriny,
fandatsana no fananany
tsy hahalalana ny feriny
fa mody ireo fiadanany.
Hetraketraka no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/ny-marary | Ny Marary | Cat | Zo an ny marary ny hahita fitsaboana
Toy ny zo an ny ankizy ny mianatra ihany
Indrisy anefa vitsy amin ny marary no mirona
Mankany amin ny doctera rehefa misy marary any anatiny any
Mampalahelo fa matetika very ny marary
Miandry izay hahafatesany sisany
Satria tsy misy mpiahy ny sasany
Ka mitombo aretina hatrany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-ray-sy-reny | RAY SY RENY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ireo Ray sy Reny izay nikolo,
nandritra ny fotoana maro.
Nanomboka tany ambohoka,
nandia ny andro fahazazana,
nandalo ny fahatanorana,
mbola mety hitohy hatrany.
Tena niezaka, nifohafoha volo,
marain-tsy hariva an-tagnamaro;
na nitsangana io, na nihohoka,
niasa foana tsy nety tana;
hatreny an-tsaha sy an-tana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harena-mijoro-noah/ry-foko-fa-dia-nahoana-lo | Ry foko
Fa dia nahoana lo | Harena Mijoro Noah | Ry foko
Fa dia nahoana loatra
Nifohazinao fitiavako?
Matahotra aho mantsy
Sao mbola hapijaly ahy fitiavako
Ry foko a
Inona no ataoko e?
Raha ho tiako izy iny
Manahy aho mantsy
sao tsiniko any aoriana
Tsia!!!
Vao haingana aho no naratra
Ka sao hanimba ahy
Ka lasa nenina ho ahy rahatrizay
Ry foko a
Ianao v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/firarian-tsoako-ho-anao | FIRARIAN-TSOAKO HO ANAO | AbouNusrayni | FIRARIAN-TSOAKO HO ANAO
Ho lavitry ny ankaso;
Hisitahan’ny hakiviana;
Tsy mba - ho voakaikitry
ny amboa kely tiana.
Tsy ho tra-kenamaso ;
Fa hahazo izay iriana;
Tena zary ho fitaratry
Ny fianakaviana.
Tsy ho tojo andraso andraso;
Na hivadihan’ny nitokiana;
Sanatria tsy ho sasatry
ny zava-mahakiriana.
Ho fe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/zaitra-fifaliana | ZAITRA FIFALIANA | AbouNusrayni | ZAITRA FIFALIANA
1.Ny hakanton’ny natiora sy tontolo maro loko,
Ahitan’hatsaran’endrika mambabo izany foko,
No mahatonga ireo zaitrako tsy misy mainty loatra;
Raha tsy miovaova loko koa ny saiko tsy mivoatra.
2.Tsy hoe tsy manao mihitsy fa izaho no tsy mazoto;
Ela vita rahateo ny zaitrako fa tsy miroto;
Andro ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/ry-havako-nahoana-isika | Ry havako, nahoana isika | Hajanirina Mahavaly | Ry havako, nahoana isika no mamita-tena
Manamarin-tena amin'ny zavatra rehetra
Mihevitra fa tsara sy rariny izay atao
Mandresy lahatra izao tontolo izao
Marobe ireo manan-toetra roa samihafa
Entina mambabo na maka fon'ny hafa
Milaza fa resy lahatry ny Filazantsara
Tsy izany anefa fa mila sitraka sy laza tsara
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hr/tsy-ho-any | Tsy ho any | Hr | https://www.youtube.com/watch?v=4P5GqeJwalM
Tantara efa nivalona an-taona maro lasa
No injao mifoha indray misangy ny eritreritro,
Dia mitamberina eto tsy mbola voafafa
Ny nisy tamin'ireny,
Ny teny Ankatso teny,
Sy ny teny Ambolokandrina,
Mbola mahamanina...
Saingy tsy hiverenana,
Ary tsy hanenenana fa niaina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/sombiniaina | SOMBINIAINA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | SOMBINIAINA
anaka,
mbola tsy hary ianao
no efa nitsimoka
teo an-jaridainan'
ny fo mifankatia
hasambaran-tsy hay tohaina
no natosaky ny nofo
ka tonga hazavàna
nandresena ny aizim-pito
ka indro sombin'ny aina
avy amin'ny olon-droa
izay nitambatra ho iray
izay namolavola anao
ho tonga sombiniaina
ianao no t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/azo-alamina-foana-io | AZO ALAMINA FOANA IO | AbouNusrayni | AZO ALAMINA FOANA IO
1.”Ny lehilahy ho’ah dia sahala daholo!”
“Ny vehivavy ve? Ireny koa izany mihitsy!”
Izay indrindra ilay fiteny bobongolo;
Ilay finiavana hanapepo tsy mitsitsy.
2.Rehefa ianao no leon’izay nankaleo;
Na koa mety voan’izay nahazo tany;
Tsy izay tojo anao no hizaranao ny toreo;
Fa angaha moa mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/ilay-eks-malala | ILAY EKS-MALALA | fanasina7 | Hitako androany, ilay sipako taloha
Tena menamenatra sy nisafosafo loha
Tsy nampoizina mihitsy ilay fifanenàna
Na 'zaho koa sanganehana sy nihanahàna.
Hay va re ka iny no vehivavy lasa vadiny e
Iny ve ilay sipa nanariana ahy ambongadiny !
Indrisy ry fiainako, raha mba fantatro taloha
Dia tsy nanao adaladala aho,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/hitsiky-tsy-hitomany | Hitsiky tsy hitomany | Cat | Raha mandalo sedra mafy
Aza kivy fa mbola ho avy lay fitsaharana
Ny tomany ovay tsiky
Mbola eo lay tena namana
Ny tsiky manambara fahazavana ho an ny hafa
Ny fahazavana manome hafaliana ho an izay mandray azy
Hitsiky tsy hitomany tsy mihafahafa
Satria voajanahary avy amn Azy
Hajanony ny halahelo ny tomany
Ny h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harena-mijoro-noah/miverena | Miverena | Harena Mijoro Noah | Dada sy neny a!
Fiangaviana ny ahy raha mety
Aza miady aza mifandrafy fa tsy mety
Mbola be no lalana ho diavina
Fitsapana ireny fa aza lavina
Efa aman-taona maro ianareo no nivady
Fifandirana tsisy dikany lasa ady,
Ka mba tsinjovy ihany ny ho avinay
Fa tsy oe miady ianareo dia vita hatreo ny aminay
Dada sy Nen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/raha-tsy-ianao-ry-dada | Raha tsy ianao ry dada... | anarim | Dada ô !
Matetika filaza hoe hafa ihany i neny
Ilay kibo nifonosana, nampianatra niteny
Sy ny sisa sy ny sisa, tsy ary ho voatanisa...
Androany kosa, ambarako etoana
F’ianao no tena hafa, raha misy izay tsaroana
Ry dada tena tiako, antom-pifaliako...
Iza tokoa mantsy, no andry nianteherako
sy kitro nifaharana t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/ny-kanto-malagasy | Ny Kanto Malagasy | Cat | Nankaiza ny kolontsain-tsika
Toa variana amin ny facebook sy ny zavatry ny vahiny
Ka toa lasa hambaniana lay fihavanan tsika
Dia very raha malagasy sy ny kilalao fahiny
Ekena fa andrianiko ny teniko ny an ny hafa koa feheziko
Fa toa miteny frantsay sy anglisy ny rehetra
Ny sakaizako, ny namako
Ka taraiky izay ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/androm-pahanterana | ANDROM-PAHANTERANA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mandroso ny andro,
ny volana, ny taona;
toy ny masoandro,
miatrana eo anoloana.
Ilay hoditra nalefaka,
fony mbola zaza;
mikentrona, milepaka,
hoy ireo be filaza.
Ireo tongo-mailamailaka,
mpanao dia an-katoka;
manana olana mandàka,
mihisatra, mitsatoka.
Ilay tanana havanana,
amin'izay rehetra atao:
lasa v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ny-fotoana...al-ansr-adika-teny-malagasy | NY FOTOANA...AL ANSR, adika teny Malagasy | AbouNusrayni | WA AL ANSR…adika teny Malagasy
1.Ilay Nahary ny lera hanjary ho fotoana,
Raha nanao fianianana tamin’ny anarany.
Dia nilaza faty antoka ho an’ny mpandany foana
Raha tsy hoe tena mino ka ny soa no isasarany.
2.Ny olombelona mifikitra amin’ny fahamarinana
Tsy matahotra miteny sy mamoaka izany.
Ka ny faharetana n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/manatsara-anjara | MANATSARA ANJARA… | AbouNusrayni | MANATSARA ANJARA…
Efa fantatry ny Tompo mialoha,
Raha ny ho fihetsiky ny olona rehetra;
Ireo be hambo sy ireo mafy loha,
Ireo tsara saina sy ireo mitaretra.
Na ianao mihevitra ho mahay kokoa,
Mitsara ny hafa tsy mahafehy fepetra;
Mety ho avo vava sy mahery tokoa,
Kanefa ny fisianao anie manam-petra.
Navelany h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/tena-namana | Tena Namana | Cat | Ny tena namana ,ilay olona tsy mba manary
Na halahelo na hafaliana
Tsy mba mialona ny sasany amin ny zava boajanahary
Fa mizara fanantenana sy fiadanana
Ny tena namana, ilay olona tsy mitarika
Amin ny zavatra ratsy mandalo eto an tany
Fa lay olona manampy hiala amin ny fahaditrana mbola hitraka
Amin ny adim pia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/mifohaza-ianao-fanahy | MIFOHAZA IANAO FANAHY | Tara-masoandro | Ny ambany lasa ambony, ny ambony lasa ambany
Sa va re, mitsingolika ny tany?
Ny tsara atao hoe ratsy, ny ratsy atao hoe tsara
Dia ny olon-kendry indray no lazaina fa adala,
Ny adala kosa no indro, toa tompoina sy andrianina
Na dia tazana amin'ny tsikiny, 'lay poizina mahafanina
Sy mandoaka indray ny fery
vao man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nantenaina | NANTENAINA…! | RRAG | NANTENAINA…!
Moa tsaroanao ‘lay fihetsika zary sary,
niezaka nanafatra tan-tsarisarin-teny?
Eh! Nofy! Toa toy ny vao omaly,
ny rakitra voasoratra tanatin’ity pejy!
Ataovy voaloham-pejy, hoy ‘ty sangisangy!
Saingy zary tenany, ny hevitra natorany.
Aiza ilay isika, izay nifananihany?
Indrisy fa dia, nofy sisa iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fon-dray | FON-DRAY | Fredy Jaofera | FON-DRAY
Fon-dray
no nahalehibe
sy nahay
nitsinjo ange.
Fon-dray
no soa nanefy
nanafay
ra' nihoa-pefy.
Fon-dray
no nitarainana
vao injay
fanaintainana !
Fon-dray
no nanjelatra,
toky iray
nampivelatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-fiainana-fanetren-tena | NY FIAINANA FANETREN-TENA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mahavariana rehefa mandinika,
ny zava-misy andavanandro;
mandeha ho azy, toa voromanidina,
ny teny atao amin'olo-madinika,
mivoaka ny vava, maraina, antoandro.
Teny mandratra, tena mampidina,
ny "moraly" efa latsaka ambany;
tsy ilazana, mitrosina an-tany.
Maro ny miseho ho manan-tsaina,
mihirahira am-pitenim-b... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-asam-panoratana | NY ASAM-PANORATANA | Fredy Jaofera | NY ASAM-PANORATANA
Ny asam-panoratana
dia talenta lalandava
entina hanandratana
ito teny tsy ho rava !
Ny asam-panoratana
dia ainga mahaliana
mitranga mivantana
fa tsy fanahy iniana.
Ny asam-panoratana
dia antso any ho any
mitory sy mitantana
ny misy tsy hita lany.
Ny asam-panoratana
dia harena anankiray
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tratry-ny-taona-2020-ho | Tratry ny taona 2020 | raozigasy | Ho anareo niarahaba ahy tratry ny taona
Ity soratra kely anaty vazom-boana
Ilay dika mitovy na "copier coller"
Ilay "gif" sy "sticker" bobakabe
Angamba valiako indray faobe
Fa betsaka loatra anaty Mp
Ho anareo nandefa sary kosa indray
Sy ireo tsy mbola hitako hatramin izay
Ireo namako indray mandeha isan- taona... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/isaoranay-ianao-ry-ray-no | Isaoranay ianao ry RayNo | Hajanirina Mahavaly | Isaoranay ianao ry Ray
Noho ny fitiavanao
Fa indro nomenao
Ny taona vaovao.
Fitiavana sy famindram-po
No natolotrao anay
Ka sambatra sy tretrika tokoa
Dera, laza ,no asetrinay
Mba tahionao ry Jesoa Tompo
Izahay mpanomponao
Mba hiroso hatrany
Hanao ny irakao
Ka ity taona izay ho diavinay
Apetraka eo am-pela... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ataovy-fomba-rehefa-mitia- | ATAOVY FOMBA*** REHEFA MITIA … | AbouNusrayni | ATAOVY FOMBA*** REHEFA MITIA …
1.Ny fianarana aloha, ary ny asa;
Izay vao mahazo miresaka vady.
Raha ny fitiavana s’ izay mba kinasa;
Aoka hijanona ery am-bavahady.
Tsy ahoana izay vita, izay efa lasa;
Ireo hadalana hampivarina an-kady.
Efa ny atidoha mihitsy no voasasa;
Raha miala amin’ireo dia toa mila ady.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tsy-ho-foana | TSY HO FOANA | Fidy Art Niaina | Raha mbola misy fo
Tsy ho foana ny fitia
Raha mbola miy zo
Tsy ho foana ny sonia
Raha mbola misy volana
Tsy ho foana ny hazavana
Raha mbola misy olana
Tsy ho foana ny famahana
Raha mbola misy hotenenina
Tsy ho foana ny hetaheta
Raha mbola misy mpenina
Tsy ho foana ny poeta |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/stia/namana | Namana | S'tia | Namana
Namana raha tena namana
Ny mizara ny hany fananana
Indrindra raha mifampitsimbina
Mahatakona ny efa rimbina
Ny naman'ny tsiambaratelo
Ny fasana sy ny avelo
Mitazona ireo misitery
Na ratra io na fery
Ny namako rahatrizay
Rehefa eo ankavanan'i Ray
Dia maro fa tsy mba kely
Ireo mpianatra sy ireo anjely |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/mpamafy-fiadanana-sy-fanantenana | Mpamafy fiadanana sy fanantenana | Cat | Tena niantefa tamnintsika ve ny fiadanana sy fanantenana?
Nafafin ny Papa Ray Masina
Ho antsika tanora ,olon dehibe
Ka mbola misy miseho mirehareha
Niantefa ve izany de maro ny tanora mirona?
Tsy mba mandinika kely akory na mitolona
Fa tonga de miroboka misotro , mifoka
Ka very fanahy sy toa migokagoka
Toa zar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/hihira-aho | HIHIRA AHO HO ANAO | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Hohiraiko ny omaly,
ny omaly tsy mba fanadino;
ny fitiavantsika nifamaly,
nandeha tsara, tsy nampino.
Hohiraiko ny anio,
ny anio tsy ho latsa-danja;
ho voatahiry, voarakitr'io,
ka tsy mety ho lany manja.
Hohiraiko ny ampitso,
ny ampitso: zava-maro;
na iray, telo, dimy, fito,
tsy ahiana, fa fantaro.
Hohiraik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/angamba-kosa-tsy-niteraka | ANGAMBA KOSA TSY NITERAKA | AbouNusrayni | ANGAMBA KOSA TSY NITERAKA
1.Raha mba rain-jaza ihany,
Tsy mba hahafoy ny zanany.
Trotroin’olon-kafa any;
Kamboty ray ka tomany.
2.Angamba kosa tsy niteraka,
‘reo lian’ady tia mitaoana;
Ny vahoaka efa reraka,
Sady sasatra misaona!
3.Fa tahaky ny ahoana loatra,
N’ fanahy, saina, fo anaty;
No mirehitra mitroatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/orohy-aho-akia-malala-a | Orohy aho akia malala a | raozigasy | Orohy aho akia malala a
Fa tiako hiainana indray,
ilay vaivain’angano
Moa va tsy vato mahamay,
iteteavan’ivin-drano
Orohy aho akia malala a
Fa tiako hiverenana hinomana,
Ilay tsironao mamonto ahy
Moa va tsy efa mampiomana
Hoe ny fehy sy fefy aleo hivaha
Orohy aho akia malala a !
Fa tiako ange ilay hararetra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/rahona-mavesatra-sy-rivotra-manainga | rahona mavesatra sy rivotra manainga... | AbouNusrayni | RAHONA MAVESATRA…SY RIVOTRA MANAINGA !
Ny rivotra* manosika ny rahona* amin’ny lalany.
Mitety ny tontolo* hitsinjara izay anjarany.
Misy anatra ary koa misy lesona afarany;
Adidinao* ny misaina mba handinika ny ambarany.
Ny vahoaka* no tontolo* miandrandra ranon’orana.
Ny mpitondra* kosa rahona* mpizara ka ataho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manana-aina | MANANA AINA | Fredy Jaofera | MANANA AINA
Manana aina
ny tantarany
raha hajaina
ny anarany.
Manana aina
ny hafaliany
raha hiraina
ankehitriny.
Manana aina
ny alahelony
raha jinjaina
ny avelony !
Manana aina
ny fanginany
ka antenaina
fanambinany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/impiry- | Impiry ?? | Cat | Impiry ianao no mangataka?
Rehefa misy zavatra manjo
Nefa adino dia mihatahaka
Rehefa faly sy ravoravo tokoa
Impiry ianao no misaotra an ilay Nahary?
Fa mbola namindrany fo
Ka mahita indray lay masoandro be nanahary
Dia mbola velon aina tokoa
Impiry ianao no midera Azy?
Rehefa omeny andro
Sa dia hoe amin ny m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/tantely-amam-bahoana-ny-fiainana | Tantely amam- bahoana ny fiainana | Cat | Nahoana enao no mitandronika ?
Sa tsy zakanao intsony ve ny onjam piainana
Ny alahelo ny hakivina namparendrika
De mbola tsy hitraka ve fa resin ny fitarainana
Tadidio ngeh fa mandalo ihany izao ee
Fa indray androany tsy maintsy tapitra izao tontolo izao
Koa mahereza hatrany fa mbola lavitra ny dia
Ka hahafahan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ny-fofony | FOFONY | Fredy Jaofera | FOFONY
Azo koloina
'reo efa vazo
ela porofony ;
azo lokoina
ny voninkazo
fa tsy ny fofony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dia-tonga-tokoa-a | DIA TONGA TOKOA A! | RRAG | DIA TONGA TOKOA A!
Dia tonga tokoa moa ianao ry taona.
Fa tonga hampifaly moa sa hoe hampisaona?
Nefa hinoako fa hinday tsiky ihany,
hitondra mosoara famafa tomany!
Tonga soa ary ianao dia eo mandrosoa,
na 'zany kosa aza mitonia aloha.
Mba tsinjovy ihany ny lalana homban'
ity mpampiantrano 'zay mbola tamana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/stia/fanatontolona | Fanatontolona | S'tia | Ny tanora ve no niova
Sa ny taona no efa dila
Sa ny Ntaolo no efa ova
Ka mitondra mitanila |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.n-patrick/andeha | ANDEHA | R.N Patrick | Handeha hono ianao?
Handeha ka handao?
Handeha hoy ianao!
Fa nahita vaovao
Handeha hono ianao?
Mitandrema sao hanenina
Handeha hono ianao!
Tandremo sao miverina
Dia andeha ianao...
Nefa izao no tsarovy
Sao ho tojo anao!
Ny tsiny sy ny tody! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ras-varatra/kintan-alina | KINTAN' ALINA | Ras Varatra | KINTAN'ALINA
mivolom-bolamena
irony kintan'alina,
iry vola-mosarena
misosa maha manina ,
fa ny any re mangina
sy toa mifeo toloko !
modia aky ry tiana
fa miandry anao ny foko...
avia mba hiara-hitazana
ireo kintana eny ireo ,
fa toa mahatsiaro ngazana
ny foko,ianao raha tsy eo ,
toa satriko hiangotiana
ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-haiko-izaho-na-tsy-tia | TSY HAIKO IZAHO NA TSY TIA | NY HERIMAR | TSY HAIKO IZAHO NA TSY TIA
Tsy dia fantatro firy ny aminy
kanefa notsaraiko ivelany fotsiny;
Tsy tsapako akory izay haniny
kanefa tsy nandramoko na dia potiny.
Nankahalain'olona teto aminay izy iny
ka lasa tsy tiako maizina;
Nohelohiko tao am-po kanefa tsy manan-tsiny,
Fanahy tsy mendri-paizina.
Tsy mba nanam-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/sambatra-aho | sambatra aho | Cat | Sambatra tokoa aho ankehitriny
Satria nariko ireo ditrako fahiny
Tsy hiverina @ ireny tsony aho
Satria efa fianam baovao no iainako izao
Tiako raha mba nanaraka ahy ny namako
Saingy indrisy manko fa tsy nanaiky ny lalako
Lay fitiavana lasa fihavanana
Hany ka lasa fisarahana
Atao ahoana fa zay no lahatra
Pejy v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/jesoa-lay-tena-namana | Jesoa lay tena namana | Cat | Nitady ihany aho hatramin izao
Lay namana tsy foiko no tsy mahafoy ahy
Lay namana tena tiako sy tena tia ahy
Kanefa lay namana mba nianteherana
Lasa namadika ity finamanana
ka tojo t@ko lay fisarahana
Ekeko angamba fa zay no lahatra
Tsy izy irery koa ny olona eto an tany
Fa mbola misy anjara any ambadimbadika a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-penina | NY PENINA | Fredy Jaofera | NY PENINA
Fiadiana mahery
eo am-pelan-tanako
ny penina
handravana fery
ho tonga fiadanako
ra' tenenina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/hafatra | HAFATRA | Hajanirina Mahavaly | Amin'izao faran'ny taona izao
Indro aho mitodika aminao
Ianao ilay namako hatrizay
Anio,ampisto ary ho mandrakizay
Raha nisy tsy nety nataoko taminao
Mifona re aho , mivalo, mitalaho
Olombelona ihany moa ny tena
Ka tsy maintsy misy fahalemena
Fotoana mety izao,hifamelana heloka
Hanesorana ny fahavinirana sy ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tena-feno-ny-fitiavanao | TENA FENO NY FITIAVANAO | NY HERIMAR | TENA FENO NY FITIAVANAO
Fotoana maro tsy voaisa
no nibanjinako mafy anao;
Ankehitriny analinkisa
Raha ny akom-pitiavanao.
Nasehonao tamin'ny asa,
Nibaribary tamin'ny fihetsika;
Voron-kely voarasa,
Taovan-kena voatetika.
Injany fitiavanao ahy,
Fitiavana feno fankahalana;
Tena tsy mampiahiahy
fa fitiavana tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tsy-hifoha-intsony | Tsy hifoha intsony | Zay LAFATRA | Mety nisy jaly nandratra ity foko ny androko omaly,
fa ny androany sy ny mbola hoavy mety tsy hanalavitra azy.
Ny fiononan-tsaiko izany tsy maharitra ora maro fa minitra vitsy,
izany mamy izany angamba dia nofinofy mbola tsisy.
Eee!Toa diaviko sahady ilay lalana malama mpandavo tsy hapifoha intsony,
ka hisosa mora... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/mahery-ny-fety-1.fina | MAHERY NY FETY…
1.Fina | AbouNusrayni | MAHERY NY FETY…
1.Finaritra ny maro fa nahatratra ny andro fety.
Manantena fa hifarana ireo zava-nanahirana.
Somebiseby ny manomana izay mba metimety.
Mifampirary ny ho tsara sy hahita ny mangirana.
2.Raha zohina ireo fihetsika sy fomba amam-panao;
Misy lafin-java-maro manahirana ihany;
Ny tena mahazo vahana d’... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ranomaso-tsy-hita-afenina | Ranomaso tsy hita afenina | Vetso mena | Ranomaso tsy hita afenina indraindray
No entina handrafetana izany dia
Fa lavitra ilay olon-tiako any izay
Ilay tokana sady tiako, no tia
Alahelo tsy omby tratra koa anefa
Rehefa manembonembona azy any
Noho ilay fo maniry ny hiantefa
Nanjary tsy zaka sy lasa tomany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/fialonana | Fialonana | Cat | Tsy tantinao mihintsy ve?
Ny mahita ny hafa mba tafita
ka feno fialonana sy fosafosa re
Ty fiainanao vao hiampita
Tadidio anefa fa mihodina ny tany
Na fosainao na haratsinao aza
Ny hafa mandroso foana ihany
Fa sao dia rendrika eo ka ndrao mamoy fo mihitsy aza |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ilay-ondako-niondananao | ILAY ONDAKO NIONDANANAO | NY HERIMAR | ILAY ONDANA NIONDANANAO
Lavitra ny toerana fa ny saiko tsy manahy
Na tsy anilako aza ianao namela mamy ho ahy;
Adala ve ity fo sa ny fitia no mitroatra?
Fa ianao iny mantsy ka tena iriko loatra.
Izay pintsopintsony momba anao,
Tiako ho hita avokoa;
Eny hatramin'ny alokao
Tsy tiako hitsahana kisoa.
Misitery ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/moi/manantena-aho | Manantena aho | Cat | Raha tojo akiviana sy alahelo sesilany
Mitrakà fa tsisy nateraka ho resy zany
Fiainana mandalo izao
Satria indray andro any dia ifarana izao tontolo izao
Raha misy sedra mandalo
Aza kivy fa ny Tompo tsy mba mandao
Nomeny anao ireo asambarana valo
Mba ho tena sambatra ary Izy eo anilanao
Raha mbola misy ny faran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/nisaraka | Nisaraka | Cat | Tsingerin-taonako t@ zany fotoana zany
Nisaraka ny lalana izy lasa lavitra any
Zay lay fiainana
Fa mafy lay fisarahana
Lay fampianaranao fahiny
Mbola tsaroako foana ankehitriny
Lay hira nampianarinao an ireo ankizy ireo
"Ho voninahitra ho an i Raiko tokoa ianareo "
Koa veloma mandrapihaona no apetraka
Fa ny ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/miverena | MIVERENA! | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Latsam-paka ao anaty
Ilay fiarahana taloha
Hatreto aloha tsy maty
Fa tafalatsaka ao am-po
Moa ve tadidinao
Ilay isika niara-droa
Dia toa tsy hifandao
Fa nifankatia tokoa
Tao anaty fahasambarana
Satria nafana ilay fitia
Koa vao niditra ny varavarana
Dia ianao no nanenika ahy akia
Indrisy anefa ry ilay malala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cathia/mifarana-ny-taona | Taona vaovao | Cat | Hifarana indray ny taona
Ny fanantenana tsy ho foana
Fa na tao ny tsara mba natao
Hinoako mbola hotoizana atao tsara kalitao
Fa na tao ratsy natao teto
Dia hinoako fa ho tapitra hatreto
Olom baovao ianao izao
Handeha amin ' ity taona vaovao
Satria efa nanao fanamby
Fa tsy velirano sanatria hanambitamby
Fo,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vaovao-ny-taona | VAOVAO NY TAONA | Fredy Jaofera | VAOVAO NY TAONA
Vaovao ny taona
ka misaora ny Avo ;
aoka hiraondraona
ny hira raha ravo !
Vaovao ny taona
ka ento ny vavaka
tsy hitondra saona
sy any an-davaka.
Vaovao ny taona
ka mahaiza midera
mbola tsy hihaona
an'izay mangorera.
Vaovao ny taona
ka mandihiza tokoa,
voatahy, na ahoana,
sy voatobaka soa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/erinaina/mailaka | mailaka | ERINAINA | MAILAKA
Diniho ange malala
ity voninkazontsika ,
adala manadala
tsy loatra dia fahita
jereo ange ry lala :
ny azy indray ny hatsiaka
no mainka manambara
fa izy dia sariaka
izy aloha dia tsara ,
kanefa aky mahavaka
ity izy ilay raràna,
vao mainka tsara faka
ilay molontsika omaly
nifampitohaka iny,
no vao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.n-patrick/taom-baovao | Taom-baovao | R.N Patrick | Arahaba ho ahy sy ianao
Nahatratra ity taom-baovao
Fanomezan'i Avo
Dia isika no nahazo
Arahaba ho ahy sy ianao
Fa fety re izao
Andeha hiravoravo
Ho fisaorana ny Avo
Arahabaina ary isika
Ty fety "magnifique"
Ny hafatra aterina!
Dia ny ahita mitsingeringerina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hifarana-indray | HIFARANA INDRAY…! | RRAG | HIFARANA INDRAY…!
Eh! Hifarana indray moa ity ialahy ry taona,
ilay nitondra fifaliana, ninday fo nisaona,
noheverina hiova, nantenaina ny hanova,
saingy toy ‘reo lasa rehetra, ‘zay efa any am-ponja!
Firifiry tamin’ialahy no hoe nandalondalo teto?
Iza tamin’ireny no naharitra, ka tsy nisento,
tsy nilatsa-dranoma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hasina | HASINA… | RRAG | HASINA…
Volamena sarobidy,
mitoetra am-po mangina.
Tsy hananana safidy,
fa dia toka-manan-jina.
Ny hasina hono mantsy,
no voninahitra avo lanja.
Ary harena lafovidy,
toy ny lokom-bolom-panja.
Diamondra tokan-doko,
tsy voavidin’ny harena.
Fitiavan-tsy miloko,
tsy nasiana fanerena.
Io no hany hasina,
mbola ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/moi/andriamanitra-tsy-mandao | ANDRIAMANITRA TSY MANDAO | Cat | Nandao anao ve ny namanao,
Ny sakaizanao, ny havanao?
Minò an ' Andriamanitra ianao
Fa Izy tsy mba mandao
Na teo ny ditranao,
Ny fahotanao, ny adalanao
Tiavo ny Tompo Andriamanitrao
Fa Izy tsy mba mandao anao
Matokisa ny Tompo raha mbola velon aina
Satria Izy no tompon ny aina
Fa any andro handao anao izao re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kabaosy | KABAOSY! | RRAG | KABAOSY!
Tsapatsapao dia ho hita ny alaliny!
Setrasetrao raha hitsapa ny jaliny!
Hantsikantsiho dia hoavy hisetra!
Vanivanio raha hiantsy ny fetra!
Ny fiainana lesy ry zandry tsy amboa!
Ka toraha-milefa rehefa mahavoa!
Rehefa enjehiny dia mibadabada!
Miantso vonjeo hoe: “Maty aho ry Dada!”
Sedrasedrao dia ho t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/tonga-tsy-nantsoina | tonga tsy nantsoina | M'art-son Emmanuel | angamba aho mbola tia
fa tonga tsy nantsoina omaly ariva
ny sento nitondra tsiaro anao
tsaroiko ny dina ho doria
nifanaovana tany amorin'i Tritriva
nisonenikin'ny hafananao
Angamba aho mbola tia
f'lay tantara mba nalevoko ho loha
no tonga vonina naniry
nampatsiahy ny hankatony'ny fitia
toa nanosika ny fo
nam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rafandeferana-sy-rafiaretana | RAFANDEFERANA SY RAFIARETANA. | RRAG | RAFANDEFERANA SY RAFIARETANA.
Tsy haiko ny hanameloka,
ireo ninia namingana.
Nampianjera ahy,
tan-davaky ny haizina.
‘Zay zary fisitrihana!
Tiako raha mba tokana,
tsy hisy hanan-droa,
ny sarisarim-piainana,
mety hahavoa,
na mbola hitondra soa.
Tsy vitako ny handrava,
ireo tokim-bava,
natolotro ny fony,
fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/aretim-pitia-fitiavana-t | ARETIM-PITIAFitiavana t | Hajanirina Mahavaly | ARETIM-PITIA
Fitiavana tsy misy tahak’izany
No nitiavako anao ry Malala
Matetika aho no lasa vinany
Ka mila ho lasa adala
Fitiavana efa latsa-paka
Izany no nitiavako anao
Kanefa tsy nahazo laka
Fa vao mainka natositosikao
Tena mafy tamiko izany
Nefa hatao ahoana moa
Tao ny sento sy tomany
Tena mila hankarar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tokony-ho-anao | TOKONY HO ANAO | NY HERIMAR | TOKONY HO ANAO
Tsy haiko na izaho no teraka alakaosy
na ianao no mata vintana, natongilan'ny anjara;
Ekeko izaho tsy feno, tsisy saosy, tsy bôgôsy,
Saingy raha eto ihany, izaho tsy ho lany zara.
Ilay fitia feno hitanao natolotro azy,
Tokony ho anao fa natosikao tanana;
Ilay voady mandramaty hatao amin'ny mariazy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-tsikinao | ‘LAY TSIKINAO… | RRAG | ‘LAY TSIKINAO…
‘Lay endri-misariakanao!
‘Lay tsikin-tavanao malefaka!
No nanosika ahy handao,
‘reo toetra zary vesatra.
Fa io tsiky io,
no nahafahako nanova,
‘reo lasa miendrika tadio,
sy ny toetra nampidi-doza!
Dia ‘lay tsikinao niavaka,
no hany nentiko nandravaka,
‘lay akany mikorontako,
novesaran’ireo ol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tanako | NY TANAKO… | RRAG | NY TANAKO…
Ny tanako namafa, ny ranomasonao,
no ‘njay notananao, sy nofihininao.
Tsy navelanao hiala, hisafo ny tava!
Tsy navelanao hiteny, na hiloa-bava!
Io no tsiaro, tsaroako mitoetra,
hany tsy misetra, ny fitiavako voafetra.
Voafetran-daha-piainana, sy ny anjara entiny!
Efa toa voasoratra, tamin’ny diam-pen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/gadram-pahotana | GADRAM-PAHOTANA | lain's rakoto | Andriamanitro o
mpanota aho
ary mbola hanota
nefa fantatrao
hitanao sahady
tazanao sahady ny farany
nefa kosa ray
mamela ny helokay
mangataka ny famindram-ponao
mamindra fo aminay
mpanota aho
tena osa sy malemy
reraka sy trotraka
ampio ny fanahiko
hiady sy hanohitra
Andriamanitra o
Na ny volon-dohako az... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.