url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malefaka
MALEFAKA
Fredy Jaofera
MALEFAKA Ny zava-,marina mitaona hamaivanin'ireo lefaka fa mampirindra ny tany : ny hafaliana, tia mihaona amin'ny fo malefaka sy ny saina tahaka izany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsonny-avo/xxx
...
Antson'ny Avo
Betsaka no nilaza fa: tia Dia nampanantena ny kintana, Fa, imolotra ny hoe doria! Dia lasana izy avy eo niridana. Ianao koa ve toy ireny? Hoy aho nandinika ny aminy, Tsia! Hoy ny foko nihiaka niteny. Mino satria tena babony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/raozy-fotsy-fahafito
RAOZY FOTSY FAHAFITO
Fidy Art Niaina
Tadidy eto ireo kianja niainana fitia, Ireo lalana nizorana niaraha-niriaria. Nantenaina ho tafita ny teny Ambolonkandrina. Neverina ho anjara ny teo Ankadilalana. Fitiavan-jaza ireny nefa tena mafy ny namoizana azy, satria tsy mba natao vazivazy; Na dia mbola zaza saina aza dia nikasa ho doria Fikasana ireny fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malalako-iny
MALALAKO INY
Fredy Jaofera
MALALAKO INY Malalako iny, ny hafaliany dia hafaliako no mba tiako. Malalako iny, ny faniriany dia faniriako no ampiako. Malalako iny, ny fijaliany dia fijaliako no nofidiko. Malalako iny, ny fihafiany dia fihafiako ka tsy ariako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/moa-tsy-satry-foana
MOA TSY SATRY FOANA ?
Fidy Art Niaina
Moa tsy satry foana hiaraka hitosy eo anilan'ilay tiana ? Rehefa miara-dalana iny dia malaina hifandao. Nefa avy eo mety hahita tsaratsara eny an-dalana fodiana; Satria, hono, ny olona mora taitran-drandrambao. Moa tsy satry foana hianoka ny fy ? Rehefa ela nihinana anefa dia tsy maintsy lany; Nefa raha sendra ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/dingana-kely
DINGANA KELY
Fredy Jaofera
DINGANA KELY Ny tiana haely fa hafatra soa sarobidy anio ka izory : ny dingana kely no tsara kokoa noho ny tsy misy akory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/voahirana
VOAHIRANA
Fidy Art Niaina
Tsy hitako intsony re ny atao; Miasa saina aho ary sahirana. Ahoana re no hahazoako anao ? Tiako holaingosana ianao ry voahirana! Indrisy ianao fa anivon-drano! Farihy lalina mangeniheny; Izaho tsy mahay milomano, dia ahoana no hangalako anao eny ? Rano ririnina mamirifiry; Ny olon-drehetra migobona lamba. In...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/zaza-navela
ZAZA NAVELA
Fidy Art Niaina
Faingana avia, ô Razandriko izany! Avia hofihinin'ny tanako roa! Mangina Razandry fa aza tomany! Mahereza! etsy hatrakao ny loha! Nangaina isika ilay zatra niangoty; Tomany no solon'ny lalaontsika ireny. Izao isika Razandry vao tena kamboty a! Indrisy fa lasa i Dada sy Neny! Kamboty,eny, isika manomboka hatreto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/taratra-mitoetra
TARATRA MITOETRA
Fidy Art Niaina
Nisy fanilo iray teto foana nanazava! Nisy afo tsy maty nanafana hatrizay. Nefa mbetika voatondra-dranomaso lava. Indro koa fa nosoloinao taratra hafa indray. Niandrandra ambony ianao ka indro... Indro volana mazava no hita avy hatrany Ilay lavabatonao voadidin'ala mikirindro. Izao nobaboiny ary tena anjakany. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/afaka-ora-iray
AFAKA ORA IRAY
Fidy Art Niaina
Minitra folo in'enina no hany sisa andrasako dia hiombona isika. Ora sarobidy anatin'ilay andro tsy manam-paharoa. Andro iray toa zato, andro hananganana ny fitiavantsika, fa sady hisoratra arapanjakana no hohamasinina ihany koa... Ry vadiko malala ! Efa kely sisa dia ho to ny nofintsika, telo arivo sy eninjato se...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/raha-ho-avy
Raha ho avy
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Raha ho avy Raha ho avy ihany ilay andro tena hamoizako anao, Eto am-pototr'ity hazo aho hitomany. Hafoiko ao anaty tapaky segondra monja izao tontolo izao Izaho hizotra makany Tsy ao anaty taratasy nifaovan-tsonia tamin'ilay Mpahary Na koa ao anaty toko sy andinin-tsoratra masin'ny baiboly Ny hoe : hafoiko tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hafatra-randriantiana/triatra
Triatra
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Triatra Rehefa nandinika tokoa aho Misy triatra marina iny lanitra antsinanana Nataoko ho varavaran'ny mandrakizay ilay izy Nefa tena hafa indray rehefa nosainina lalina Ny fanahiko nandeha nanao fisafoana teny Naniraka ny kintana sakaizako koa aho ho namana Ny volana sy ny masoandro samy nanontaniana Samy tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mipetraka
MIPETRAKA
Fredy Jaofera
MIPETRAKA Zatra mangina sy malina fa efa zo ; ny ratra dia mipetraka lalina ao am-po.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiverenana
FIVERENANA
Fredy Jaofera
FIVERENANA Raha toa ka tsy hay, izao fohazy ho vatsy : miverina amin'izay nanao azy ny ratsy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manomboka
MANOMBOKA
Fredy Jaofera
MANOMBOKA Ny fahombiazana dia manomboka amin'ny nofy vao amohazana ezaka miroboka lalina ka rakofy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nisy-fiadanana
TSY NISY FIADANANA
Fredy Jaofera
TSY NISY FIADANANA Tsy nisy fiadanana ny nanantena tany fa nanompanana ny jaly sy tomany. Tsy nisy fiadanana ny nitoetra marina fa dia nofahanana fosa izay nitarina. Tsy nisy fiadanana ny fitia nanavatsava fa dia nosakanana niamey irony vava. Tsy nisy fiadanana ilay toky nozaraina ka tsy nananganana ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-embona
NY EMBONA
Fredy Jaofera
NY EMBONA Ny embona lava no tonga mankany fa tsy mba misava ny alaheloko izany. Ny embona lava no tsy mampitony fa tsy dia mazava itony orako itony. Ny embona lava fa zary mandrava ny tsikiko, ohatra. Ny embona lava no manelingelina tia manavatsava ary tsy mihelina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vita-ny-amintsika
VITA NY AMINTSIKA
Fredy Jaofera
VITA NY AMINTSIKA Vita ny amintsika, nitsoaka ilay fitia toa nentin-driaka ka mitomania !... Vita ny amintsika, avadiko ny voady fa be nampasiaka ny lainga nianjady. Vita ny amintsika, vonoiko ny tantara maro nahasariaka feno fitaka voarara. Vita ny amintsika, avelako eo ianao, toy ny elo mipika ny misy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hitam-poko
HITAM-POKO
Fredy Jaofera
HITAM-POKO Hitam-poko, hitam-pirenena ny fahantrana ka mandoko sary mahonena tsy hay fafana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-afa-miaina
TSY AFA-MIAINA
Fredy Jaofera
TSY AFA-MIAINA Ny trondro tsy afa-miaina raha tsy misy rano : itony andro tsy antenaina ka manganohano. Ny hazo dia tsy afa-miaina raha tsy misy tany ; ny alahelo tsy hay zaraina ka misento ihany Ny biby dia tsy afa-miaina raha tsy misy ala ; ny anio mahalasa saina ka mampisalasala. Ny tena dia tsy afa-mia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nevrozy/adin-tsaina-conflit-intrapsychique
Adin-tsaina
Nevrozy
Apetako ny satroka, Somary fafako ny tavako, Dia miatrika ahy no sady mifantoka, Mijery fitaratra farany, ka ny masoko mijery ny masoko Miandry ahy ny ady goavana indrindra Dia ilay ady mampivarahontsana, ilay ady tsy misy mpandresy nefa tsy mahazo resy Ny manodidina antsana, sy volcano tsy ritra Ny fanafihana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sahala
SAHALA
Fredy Jaofera
SAHALA Raha tsy mahalala, inty no fanentanana mirindra azo adika : ny alina dia sahala amin'ny fiadanana ho an'ny saintsika.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/iza-no-hanohitra
IZA NO HANOHITRA
NY Andri-Fara
IZA NO HANOHITRA Vanin'andro mampatahotra Fotoana mampisaratsaraka ; Ny tonon'andro tahaka izao , tsy afaka ny hitambatra..., Iadiana mantsy ny fiainana . Ny hafa varina nanao fanenjika , Ilay henjehina tsy azo..., Ianao indray no fanina ! Korotanin'ny adim-piainana . Manahy aho fa diso fahavalo , Ka mifandr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ho-tany-sambatra
HO TANY SAMBATRA
AORN
Ray o! mba tahio ity tany maminay Tany nolovana tamin'ny Razanay Tany hifandimbiasan'ny taranakay Ka ny olona ao vimbino sy tahio Aza avela ho reraka fa mba tadidio Mba omeo anjara izay sahaza anio Aza ny otanay no ho tsarovanao Fa zay helokay adinoy sy avelao Fa ianao Mpamonjy no sady tsy mandao Mba omeo mpit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/mbola-hoavy-aho
Mbola hoavy aho...
Herilanja RANDRIAMANGA
Manan-tiana a ! Raha voarainao ity taratasiko ity Dia solotenako foana ihany izy fa izaho kosa mbola aty, Mbola aty an-tany lavitra mitady izay mahasoa, Mikatsaka ilay nampanantenaiko, ilay hoavy mety amin-tsika roa. Tehirizo foana ihany ireo taratasy rehetra nalefako any Ka raha tojo alahelo ianao dia ireo vakina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/alahelo
ALAHELO
Fredy Jaofera
ALAHELO Manorana ny aty ange mila ho tomandavana, hoy aho lavareny ; izao alahelo mandeha dia porofom-pitiavana marina ombieny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-zava-nangalarina
NY ZAVA-NANGALARINA
Fredy Jaofera
NY ZAVA-NANGALARINA Ny zava-nangalarina dia tsy hahasoa anao, na efa io namboarina hitondra fiainam-bao. Ny zava-nangalarina, manan-kasina, zareo, fa misy tompo marina ka hampiranga toreo. Ny zava-nangalarina dia hafaliana vetivety izay avy hampivarina any amin'ny tsy mety. Ny zava-nangalarina dia antambo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hamaivano
HAMAIVANO
Fredy Jaofera
HAMAIVANO Hamaivano iny tigetrako iny fa ho angano hipoiran'ny tsiny. Hamaivano itony hetahetako, ho fararano rehefa niaretako. Hamaivano ny androko ange, ho tsodrano no ho be dia be. Hamaivano ny efa nisasarako fa hilomano ny loza tsy arako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fonny-velona
FON'NY VELONA
Fredy Jaofera
FON'NY VELONA Ry olombelona, izao no ato anaty sy hafatra iray : ny fon'ny velona no fasan'ny maty mandrakizay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/namoha-ahiahy
NAMOHA AHIAHY
Fredy Jaofera
NAMOHA AHIAHY Namoha ahiahy itony toepanahy ka nampihataka, na tsy nangataka. Namoha ahiahy rehefa nahasahy nanambany lava nahakivy ny tava. Namoha ahiahy rehefa tsy niahy ka namela ho ory teny ka fotory ! Namoha ahiahy mbola tsy nahy rehefa nandavo, na nanjavozavo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/nofy-mila-hezaka
nofy mila hezaka
cedarf
Tamoron'iny ony iny aho no lasa vetsovetso, nikatroka ny ngidin'ny fisainana mahory, nanakatra hevitra avo tsy vitantsentosento, tsy hita anaty nofin'ny kamo sy ny tory. Ato anaty tolona mandefa nofinofy, Tsy haiko loatra ny hino zay any andanitra any Izaho tsy mbola tany, sady tenako farofy; Aleoko zaho ho velo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tasy
TASY
Fredy Jaofera
TASY Tasy nandoto ny tsarako sy nanao boto ny anarako. Tasy nanimba ny taonako sy nanazimba ny saonako. Tasy nanova ny diaviko tsy hisy lova ny hoaviko. Tasy nandevo ny fintako sy nanandevo ny vintako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/mifohaza
Mifohaza
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
MIFOHAZA Zandry a! Fotoana angamba izao, tsy famantaran'ora intsony no jereko Fa ny akoholahy fambara d'izany f'efa reko, Maneno fanindroany ... Any ivelany any, Renao 'ngamba izany e? Ny andro mihamazava ka Raha renao ihany zoky dia... Etsy mifohaza! ... Ampy angamba izay ny ora nolaniana sy nariana tamin'ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/faharesena
FAHARESENA
Fredy Jaofera
FAHARESENA Faharesena tsy nekena ka nasiana haratsiana. Faharesena vao nomena ka nandrava lalandava. Faharesena toa tangena tsy namela ka tavela ! Faharesena nobabena mafy irery ka namery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/lalam-piainana0
NY LALAN'NY FIAINANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Rehefa tonga ny hariva, mamerovero feno hanitra, ny masoandro koa madiva, hilentika am-paravodilanitra Maro ny adidy natrehana, nisy ny nety, ny tsy nahomby, ny hevi-maro, ny firehana, ny feno tapany, ny tsy omby. Nanombana ny ezaka efa vita, nisaintsaina ny tsy tontosa, namisavisa ny tsy mbola hita, niketri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roder/andriamanitra-irery-dia-ampy
ANDRIAMANITRA IRERY DIA AMPY
RODER
ANDRIAMANITRA IRERY DIA AMPY Andriamanitra irery dia ampy Na tsy eo ianao hanampy Matoky ny fitiavany aho Fa tsy mitoky amin`olona toa ahy. Mendrika sy rariny tokoa Ny midera sy manompo azy Ka ananako finoana Ny hananako ny hoavy. Tsy olona toa ahy no ekeKO Na koa hitoky na hifefeko Fa Andriamanitra irery di...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/mirary-soa
Mirary soa
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
MIRARY SOA Handeha tokoa ianao? Eny! Izaho mo olon’iza no afaka hamefy, Na hanolotolo-kevitra na handrefindrefy ‘Zay hany lalam-piainana Sitrakao hizorana. Raha tsy telinao ny mamiko, Raha toa tsy sitrakao ny iara-dàlana amiko, dia… ‘Ndeha soava-dia! Ary matokia! Fa raha toa ianao ka lasa Dia… hiverina aho a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nofy
NOFY
Fredy Jaofera
NOFY Tao ho ao, saika narofy ka eritrereto ; hitako ianao tanaty nofy saingy tsy eto.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/feno
Feno
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
FENO Tsy miodina impiry akory akia ny ora, D’efa miverimberina Manaraka ny onjan’ Ny fidoboky ny foko Ny akon’ny fitia Atolotrao ry tiako. Feno fahasambarana Ny fiainana diaviko, Raha iny fa miantefa Miantraika anatiko any Lay teny tena mamy Izay natolotrao. Tiako anie ianao e. Tsapako fa manga Ny lanit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fitia-tsy-hita-faritra
FITIA TSY HITA FARITRA
AORN
Ny masonao nitopy Nandravaka ny androko nanala ny toloko tadidiko ato an-tsaina voasikotra ato anaty nandrehitra ny foko... fa toy ny vara-datsaka Nanavatsava lalina Namonto ny fanahiko... Fa zany ilay fitia Fitia toa hafahafa Fa tsy mijery akory Zay hevitra sy antony, Tsy mahalala intsony zay ratsiny sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nisy-saina-tao
NISY SAINA TAO
Fredy Jaofera
NISY SAINA TAO Nisy saina tao tsy nikatsaka ny soa ka dia nandao ny ho any vao mifoha. Nisy saina tao tsy nampiasa ny tiako ka nahory vao marobe ireo fijaliako. Nisy saina tao tsy nilaina ny tigetrako ka dia nanao hahafaty ny rehetrako. Nisy saina tao nesoina ny hasasarako nitera-draorao tsy hipoiran'ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soava-dia
SOAVA DIA
Fredy Jaofera
SOAVA DIA Matokia fa nahafinaritra ny nisy sy lalao ; soava dia fa tsy mba tapitra ny fitiavako anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahavoazana
FAHAVOAZANA
Fredy Jaofera
FAHAVOAZANA Ianao no fahavoazana efa nosakanana fa nahatonga razana an'ilay fiadanana. Ianao no fahavoazana efa nandosirana fa tsy olo-nahamazana rehefa nifikirana. Ianao no fahavoazana efa tsy nironana fa ny ezaka notazana, zary fifandonana. Ianao no fahavoazana efa nanenenana tsy nila fahombiazana na ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/miaraka-aminao
Miaraka aminao
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Iny lalako iny na sarotra sy mafy, Izay feno fisedrana no sady enjehin-drafy, Raha miaraka aminao manjary fifaliana, Lasa zary maizina ny hazo fijaliana. Na inona tafiotra manafika eny an-dalana, Migafy mampijaly, manaisotra hasambarana, Dia io ilay fifaliana, akaiky tsy nandao, Toa mora teo ilay ady, hay teo ak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nevrozy/tsy-haiko-ny-tiavina
Tsy haiko ny tiavina
Nevrozy
Tsy ny ady izay niserana, Na ny elanielan-toerana No namono ilay fitia F'ilay fahanginana Sy ilay fiankinana izay nivoana ka nania Tsy ny ora zay mandeha Na ny tsaho mba sendra re No nanimba ny fitiavana F'ilay fitiavan-tena Izay nampa onena Ka namotika ilay fihavanana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-vitanao
TSY VITANAO
Fredy Jaofera
TSY VITANAO Tsy vitanao ny nanampy ahy hatramin'izay ; aza be lazao fa olona tsy niahy sy mba nandray.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/reny-modely
RENY MÔDELY
DADAFARAtolotra
Tsapako androany fa mahery ianao ry Tiana Mananko anatiko any ireo karazam-pifaliana Ny tontolo sambatra nomenao ho diaviko Ilay nosakelehako iny, efa no loloaviko Ka sambatra izahay! Tsapako androany fa ianao mahazaka fonja Tsy namela ny fitiavana na dia segôndra monja Nahasaky niaina tokana nisedra ady mafy N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miatrika-vatana
MIATRIKA VATANA
Fredy Jaofera
MIATRIKA VATANA Miatrika vatana efa mitantana ilay foko hitia anao ho doria. Miatrika vatana misy mivantana ny mety sy meva tsy hihevaheva. Miatrika vatana hamirapiratana ny fanantenana mivoy fanovana. Miatrika vatana ho fanandratana ny tsapa mizotra na ny mipololotra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandritra
MANDRITRA
Fredy Jaofera
MANDRITRA Mandritra ny androm-piainako dia ho tia anao hatrany ny foko, ho lasa any foana ny fisainako, na indraindray aza re mitoloko. Mandritra ny androm-piainako dia eritreretiko ny tantarantsika, na, indrisy, tonga fanaintainako anio ka tomany no mandriaka. Mandritra ny androm-piainako dia tsaroako ny sed...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/sento-mangiana
Sento mangiana
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Misy ranomaso latsaka, tsy mba misy mampangiana, Feno sento sy taraina rehefa injay mamaton’alina, Io no fo maratra mafy, sady vontom-pahoriana, Malahelo tsy mitraka anaty faharesena lalina. Misy endrika manjombona, tsy mba misy mpahalala, Izay miaina hirifiry tsy mba misy mampitony, Misy fo iray misento fa voafi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/sento-miampita-iii
Sento miampita III
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Somambisamby indray ‘ty takariva kely, Matoa ilay tsiriry vorona nandao Namonjy ilay fodiany, nikopaka ka niery Ilay sakaiza tiany no io tavela teo. Tazan-davitra ihany toa maso indray mitopy. No entiny hibanjinany ilay moron-danitra iny. Ilay rahona misosa sisa hananan-toky, hampita izany sento ampon’ila nirian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/manantena
MANANTENA
Njakahery ANDRIAMALALA
MANANTENA Ô ry lanitra ambony misy taram-pahazavana, Tsilovy re izany dia fa toa maizina mazàna, Fa an'eritreritra any ny ho tody soa aman- tsara, Ka hifaly eram-po sy hahita izay anjara. Fa efa ela ihany mantsy no naniry mba ho tody, Kanefa toa marary izay mitady fanafody, Ny tena toa malemy, ny harapaka tsy mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hoe-fohazy
TSY, HOE, FOHAZY
Fredy Jaofera
TSY, HOE, FOHAZY Tsy, hoe, fohazy fa mientana ho azy ny fo mahatazana anao ka fafazana izato fitiavana zary goavana mampanonofy ka mba rakofy izay hafanana hahatamana no faniriana efa tsindriana ho hasambarana tsy hita hifarana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/vitako-fa-zanako
VITAKO FA ZANAKO
tsiolaka
Somary gaga ihany aho nandre ny hafatrao folo taona aty aoriana Mbola tsaroako foana ilay avonavom-bava Hoe vitako ny zanako fa tsy zaza tsy niriana io ka ilako fanampiana Amin-dray tsy an’asa akory sy mpimamo lava Sady …, Tsy hita hianteherana ary tsy ilainy akory ! satria tsy marin-toerana tsy henatra tsy tahot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hambom-pon-draolombelona
HAMBOM-PON-DRAOLOMBELONA
AORN
Manahoana moa 'ty tany mihotra izao tontolo izao ? Toy ny singa-pasi-drano ao anaty tora-pasika... Raha ny fahalalan’ny olona, azoko lazaina anao Mbola misy fetrany ihany fa tsy afa-midadasika Na mikaroka toy inona, manoloana ity voary Mbola bitika sy ampahany raha ny vokatra azo an-tanana Te hananika ny avo, te...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voafilafila
VOAFILAFILA
Fredy Jaofera
VOAFILAFILA Voafilafila ny fo izay nitia ka nivaralila ny feom-ballha. Voafilafila ny tokiko ange ka dia dila ny ora nandeha. Voafilafila ny efa faniriako ka nibila, na ireo fifaliako. Voafilafila ny tanjoko maro ka mitanila ny saina, takaro !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/hafatra-sento-miampita
Hafatra
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ry volana ô midina, meteza mba hafarako Hampita izany sentoko ho any lavitra any. Miangavy anao, tsidiho, lazao ilay malalako: Fa malahelo loatra ny foko ka tomany. Ry rivotra ô lalovy, ny fony manadino; Mba tantarao kely aminy izao fijaliako izao: Maratra loatra hoe ilay fony fa adino. Ampy izay ndehana! Misaot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/matory-mangina
MATORY MANGINA
Fredy Jaofera
MATORY MANGINA Matory mangina ny zava-boaary, tsy re mikoriana ny rano toa sary. Matory mangina ny fitiavako anao izay tsy zoviana sy mba mihavao. Matory mangina ny asa sahanina fa ora hatoriana rehefa tazanina. Matory mangina ny fiainako izany mifono fitoniana misisika hatrany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fandraisana-andraikitra
FANDRAISANA ANDRAIKITRA
Fredy Jaofera
FANDRAISANA ANDRAIKITRA Hajao iny olona iny ka aoka re tsy hanaikitra toy ny biby no fepetra ; tsy fanomezan-tsiny fa fandraisana andraikitra ny fiainana rehetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lyandy/malala-o
Malala o
Lyandy
Malala o, voninkazo iray tsy manan-tsahala, voninkazo iray tsy toy ny mavo adala, fa ilay raozy mavokely, mamiratra sy soa no indro atolotro anao ,omeko amin'ny fo ! Tiako ho tsapanao fa mahery loatra ny fitia, izay mibaiko ny foko hiteny hoe doria, dia ilay mandrakizay hiarahantsika roa, anaty trano kely parad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natiora-natoraly/raha-tia-ahy-ianao-ry-vadiko
Raha tia ahy ianao ry vadiko
Natiora Natoraly
Raha tia ahy ianao ry vadiko Dia mandamina ny saiko Raha reraka rehefa avy miasa Manome izay zavatra ilaiko Mba tsy hitadiavako any an-kafa Raha tia ahy ianao ry vadiko Dia manohana ara-bola Rehefa tojo ny main-tany Fa tsy sahirana midola Ka izay vola tonga mora lany Raha tia ahy ianao ry vadiko Dia tsy mamo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-sento/tantarany
Tantarany
Aloky Ny Sento
Izaho raha mihataka lavitra ny misiny Izaho raha somary makamaka sisiny Izaho raha midify izato tsikitsikiny Izaho raha milefa ny hanitra manentony Izaho raha mifidy handa ny zavatra entiny Izaho raha mivoana iny tondrozotrany Izaho raha manafoana ireny lokalokany Izaho.... Izaho raha mandotra irony saritapany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-sento/mitabe
Mitabe
Aloky Ny Sento
Erikerika manifinify mahatondraka ho rano Vovobovoka entim-bitsika mahatsangana ny trano Ando atovon-tsotrokely, mahazina sinibe Ny mahantra homan-kely, any andro hanam-be #mitabe #Aloky_ny_sento
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-sento/tombam-bidy
Tombam-bidy
Aloky Ny Sento
Tambim-bidy Tora-po voaratra nitroatra tao an-tratra fa nisy nanambaka No foiko afafin'ny rivotra hifofo mba hamefika ny fony Ho fety fifaliako raha to ny faniriako tsy hihiratra intsony ilay fony mpampaory Satriko tokoa raha ny foko no hampariko, ny hatezerako no hitariko Saingy aleoko aloha mitony, mangingina ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-sento/fanantenana
Fanantenana
Aloky Ny Sento
Ho inonao intsony ny hamantatra ny ampitso ry fo efa voaozona Ho inonao akory na ho ratsy na ho soa no handravaka ny vozona Ho inonao intsony izay mety ho sarim-baliny Fa ...ndehana tohizo hatrany ny mitsiahy ny omaliny Apatraho ihany ny ranomaso, alahelo, ny sento sy ny tariny Vereno sainina ny endrikendrin-tsari...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/iza
IZA?
Njakahery ANDRIAMALALA
IZA? Raha tonga ny fotoana ka haniry ato anatiko, Ilay fitiavana mitsimoka hijoro ho tena mamiko, Ka hafana sy hitady izay ho anjarany eto an-tany tany, Hiara-sambatra aok'izany, fa mba ho iza re izany? Raha tonga ny fotoana ka ho taitra sy hifoha, Ka havaloko avy koa ireo tantara teo aloha, Ka handeha mba hanan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/dadanolona-iny
DADAN'OLONA INY
tsiolaka
Efa ...! Saika tsy hiteny ihany aho fa tsy maintsy ranabavy Tsy vatrako intsony mantsy ny hangina tsy hiloa-bava Moa tsy efa hatram-boalohany no hainao fa manambady iny dadan'olona iny f'ianao nanantena handrava? Kanjo...! Vao nitsaika biby an-kibo dia nahiliny sahady ka nibaby kitra irery,tsinipany tam-bavafo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/tsy-haditra
TSY HADITRA
DADAFARAtolotra
Ekeko ianao fa tonga lafatra,sady tena hoe milay Indro kely mitsivalana,hay moa hitambaranay Ka manomboka androany ahy,dia hiova sy handefitra Tsy hiara-trano intsony, fa andeha hitokan'efitra Andray 'ty endrika sy bika, fotsy sady lava volo Izahay mpandalo rehetra rehetra, tena babonao daholo Fa ny banga tsy hay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/naleonao
NALEONAO
Fredy Jaofera
NALEONAO Naleonao ny tany toy izay ny aty ka aza manontany ny mahory ery. Naleonao ny tany, n'inona lazaina, manam-piafarany izao ka zakaina. Naleonao ny tany ka irery etoana ; maso kotsa ihany no isentoana. Naleonao ny tany ka ekeko ange ; lasalasa ny vinany : mitaditady re.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-sento/fitserana
Fitserana
Aloky Ny Sento
Raha fantatra mialoha fa fitiavana fitserana no foinao ho ahy... Angamba aho tsy sahy ny nahita anao akory Norarako tsy nifoha ilay fitiavako natory Ankehitriny izy ory... ...hoatr'izay re mba niserana na nisinda mihitsy aza ilay aloky ny fo raha tsy nangorahanao Anio anefa maka toerana manesika ahy hamoy fo iny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-sento/aza-kivy
Aza kivy
Aloky Ny Sento
Aza kivy Ny sento izay manaloka no marika ahafantarana fa mitaratra miafina ilay mazavam-pahasambarana Ny aloka no misy nohon'ny taratra mitsilo anefa koa ny mazava tsy ho sahaza ireo tsy mino Aleo ny lasa omban'ny lasa ndeha ny ampitsonao diniho, misentoa, mitrakà, ny finiavanao ampio Soratsorato izay mba nofy sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-sento/malagasy-ve
Malagasy ve ?
Aloky Ny Sento
Malagasy ve... Malagasy ve rey olona isika Gasy ankehitriny? Mianjaika ireo lamaodim-pitanjahan'ny vahiny Manadino ny fisiany sy tanàna niaviany Manafoka ny fahiny, ny hasiny nariany Malagasy ve rey olona ireo olom-pitondrana? Manaiky ny hafa firenena hibodo tanim-panjakana Mamela antsika iadidianay hiaina anaty...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/ny-fahasambarana
NY FAHASAMBARANA
Njakahery ANDRIAMALALA
NY FAHASAMBARANA Ny fahasambarana tsy hitoetra raha tsy henonao ny ventiny, Amin'ny ora sy fotoana ka higadona avokoa izay rehetra nentiny, Mety hoe mitsiky ianao, satria faly dia faly, Fa tsy tsaroanao na iray minitra monja ireo ketokin'ny jaly. Moa tadidio fa tsy hoe tsy misy intsony ireo ratra fahizay, Ka feno...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/fitia
Fitia
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Ampisambory fitia aho,raha izay sitrakao Ampisambory fitia dia aza atao kilalao Ampisambory fitia aho dia tolory teny mamy Ampisambory fitia aho fa tena ilaiko izany Ampisambory fitiavana aho dia safosafoy Ampisambory fitiavana koa dia orokoroy Ampisambory fitiavana aho dia tambatambazo Ampisambory fitiavana dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mifampatoky
MIFAMPATOKY
Fredy Jaofera
MIFAMPATOKY Tiako ny pikany kanto aok'izany ka mbola mamoky ; tsy misy dikany ny elanelan-tany raha mifampatoky.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-sento/vavaka
vavaka
Aloky Ny Sento
Tompo oooo,Lasa tsy manam-po mangoraka aho Nanjary tsy mena-mandray vato dia mitoraka aho Nanjary manipy mitsinjara ny hasosorako aho Tsy mitsahatra mandatsa anaty asa soratro aho Manampatra ny ditran'ny penin-tsy voafolako aho Tsy fidiny ho ahy fa mba miezaka mamaha irery ny fatorako aho Inoako fa tsy ataonao na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fafazo
FAFAZO
Fredy Jaofera
FAFAZO Raha te ho sahirana sy tsy tiana hanarina, hoy ange ny foko, fafazo ny halavirana fa hojinjainao marina ny fanadinoako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ny-elanelana
TSY NY ELANELANA
Fredy Jaofera
TSY NY ELANELANA Aoka tsy hamelana izato halavirana mitory tsy fiankinana ; tsy ny elanelana no mampisaraka akory fa ny fanginana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/ilay-taminizany
ILAY TAMIN'IZANY
Njakahery ANDRIAMALALA
ILAY TAMIN'IZANY Fony mbola tsy niroso, Nitia anao antsokotsoko, Tena sambatra aok'izany, Ny miaina eto an-tany. Fony vao tsy nahalala, Ianao hoe manana Malala, Mifankatia tsisy otr'izany, Tsisy mihoatra ny eto an-tany Fony mbola tsy nahita, Nareo niaraka niampita, Nifampitantana aok'izany, Tena mamy ny eto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-teo
TSY TEO
Fredy Jaofera
TSY TEO Tsy teo akory ianao fony alahelo no nahazo ka aoka aho handao fa dia toa voan'ny tazo. Tsy teo akory ianao fony tebiteby no namely, tsy hita fotsiny izao, tsy nantenaina velively. Tsy teo akory ianao fony fitiavana no nirina fa tany faly nilalao ka tsy nahalala fijaliana. Tsy teo akory ianao fony ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anaty-tononkalo
ANATY TONONKALO
Fredy Jaofera
ANATY TONONKALO Anaty tononkalo no mivoaka ny hafatra zary mampikalo, mivoy ny ainga lafatra. Anaty tononkalo no misosa ny fitiavana sarotra atakalo, azo ambara ho mavana. Anaty tononkalo no mivoy ny ratram-po tsy mba mandalo ka misy foana fa tsy lo. Anaty tononkalo no milaza ny alahelo mody mihalohalo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tongava-saina-ihany
TONGAVA SAINA IHANY
AORN
Rimbona tanteraka Lahoana sady reraka 'ty Gasikara ity Voaroba sy voatafika toa mandry tsisy lafika 'lay nosin'ny fitia fa ny tena atambo dia vita hazalambo izay mba sahy mijoro Rahonana amim-basy Lay tena malagasy Tsindrina ho torotoro ireo zay olom-bitsy voavidy vola mihitsy Hiaro ireo vahiny Ka tsisy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanomezantsoa-lcv/hody-vovoka
Hody vovoka
Fanomezantsoa Lcv
Manaova hoy aho ny marina Fa ny fiainana eto an-tany anie ka misy fiafaràna eh Manaova hoy aho ny marina Fa n'iza n'iza isika ety Tsy maintsy andalo fitsaràna Marina fa mafy ny mamelà heloka Kanefa aza adino Fa ny fo mifankatia No paradisa an-tany Izay no tadidio Dia n'inon'inona alahelo, adiady, disadisa Iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/adidiko-ny-taniko
Adidiko ny taniko
honenantsoa
Adidiko ny taniko... Katsaiko, lafatra firindra. Hanefako adidy anatin'ny hafatra an- tsoratra,rinindra. Indrisy! Revo ity randra- mbao Kanto ! Toa tsy manendrika anao. Tazomy sata izay efa najoro; Vakondrazana atao tsara kolo. Ny fanovozam-pahalalana Aza atao ankila- Bao. Ny olam-panabeazana;vahao Ireo tano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/tojo-anao
Tojo anao
Randja
Nitotototo tetsy sy eroa, nivezivezy teny ho eny nitady anao nandritra ny fotoana naharitra tojo anao fitiavana aho vao sahy niteny izay tato am-poko sy izay rehetra tsy haritra Tojo anao aho indray andro tamin'iny lalana iny resy lahatra f'efa babon'ilay toetranao mamiko loatra manana anao ho masoandro, fanilo m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fantaro-ny-ditra
FANTARO NY DITRA
Fredy Jaofera
FANTARO NY DITRA Fantaro ny ditra fa tsy mitondra fiadanana, na iray minitra ka aoka re tsy hihavanana. Fantaro ny ditra fa mampitranga fahoriana mampipitrapitra rehefa voa mafy mangina. Fantaro ny ditra fa azo lazaina ho hadalana mety hampitsitra raha izany ka sarotra ialana. Fantaro ny ditra dia loza ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-velon-dreny
RAHA VELON-DRENY
Fredy Jaofera
RAHA VELON-DRENY Raha velon-dreny ny fo amam-panahy, tsy mba nisy ireny tebiteby sy ahiahy. Raha velon-dreny ny sedra nanadala dia tsy mba niteny fa moramora niala. Raha velon-dreny ny alahelo marina, nisy toky ombieny feno tsiky niarina. Raha velon-dreny 'reo fahombiazako, ho mamy lavareny no nanjary t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/ataoko-tsara-fehy
Ataoko tsara fehy
Herilanja RANDRIAMANGA
Ataoko tsara fehy, atoko tsara tahiry Ilay vao nomeny ahy, ilay vao mitsiry Mba hiroborobo sy hamelana ho tsara Ary aharitra sy hateza tsy hisy fiafara. Ireo teny izay nomeny dia haraikitra ato an-doha Hotsaroina vetivety indrindra raha mifoha, Atao ho tonokalo, tonokalo ho tsianjery, Raha hoadinoina mankarary, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/ny-fidongiako-aminao
Ny fidongiako aminao
honenantsoa
Ny fidongiako aminao Ray ô! Fitiavanao ahy tsy miova Faniriana ho zanakao, mpandova Hitandrina n'y didinao sy fanekena vaovao MBA tsy ho adinonao fa tena adidinao Ary tsy ho isan'ireo isainao heloka Aho Ny fidongiako aminao jeso! Fahasoavana ary famindra-po Diovy ny fo ho madio tokoa Tsy ho fahazarana na fahal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tazana
TSY TAZANA
Fredy Jaofera
TSY TAZANA Tamin'ny fahareseko dia ianao tsy tazana ka zavatra tsy ekeko ny hitia no fafazana. Tamin'ny fahakiviako dia ianao tsy tazana nitady izay faniriako fa niseho ho mazana. Tamin'ny fahavoazako dia ianao tsy tazana ka tsy mba sahazako no hafatry ny razana. Tamin'ny hamaizinako dia ianao tsy tazana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahasarobidy
MAHASAROBIDY
Fredy Jaofera
MAHASAROBIDY Aoka ho tadidy tomandavana sy hifikirana : mahasarobidy ny fitiavana ny halavirana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/ataoko-hoe-raozy
Ataoko hoe Raozy
Herilanja RANDRIAMANGA
Ataoko hoe “RAOZY” Satria mamiratra eto imasoko Sy manintra eto an’oroko, Mamelana maraina, Mitondra herin-tsaina. Dia raozy, Ilay porofon’ny hatsarana Ilay tena mahatamana, Voninkazo iray nalaina, Tao anaty zaridaina. Eny raozy, ilay nitondra hery hoahy, Handreseko ireo ahiahy Ka nampitsiry ny fitiavako, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/mbola-hitako-any
"MBOLA HITAKO ANY"
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Mbola hitako any 'lay taratasy kely natolotrao ho azy, Mbola any koa 'lay raki-panasanao hamonjy mariazy, Notehiriziny ao,raha tsy diso aza aho dia ao ambany ondany, Jineriny isanandro,manjaitra rian-kalo no zary lasa fombany, "Mbola hitako ao" dia mbola any koa 'lay raoby novidiana hoazy raha bevoka, Tsy nanaova...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/miovaova-loko
MIOVAOVA LOKO
AORN
Niova loko lay fitia zay namiratra taloha Nolalovan-drivo-drano zay nikiky moramora efa an-taona maromaro... dia nanjary lasa matroka sy harefesina aza ka marokoroko indray mila ho potika sy rava... Lay nilaza "tia" taloha, sy nafanafana fo hoe: "tsy hisy haharombaka ny fitiavantsika roa" aiza zany ankehit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ny-tody
TSY NY TODY
Fredy Jaofera
TSY NY TODY Izay natao dia halalino : tsy ho tafody fa hikodia ; ny olona re, manadino fa tsy ny tody, sanatria !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarina-rf/bibiolona
BIBIOLONA
Miarina RF
BIBIOLONA Misy heritreritra ny olona Fa ny biby tsy hambaka an'izany, Ny misy dia niara-nitolona Fa tsy vitan'ny hoe :''mpaminany''. Mijoro mahintsy ny olona Ny biby koa anefa mandady, Fa nahoana ireo mpiara-belona No dia mifandroy amin'ny tady ? Mahay miteny ny olona Ny omby koa nefa mitrena, Fa nahoana no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/rehefa-tsy-hiteny
REHEFA TSY HITENY
NY Andri-Fara
REHEFA TSY HITENY Angaha moa io vavanao mipetsipetsina Tsy misy fiafarana mandrera-tsaina ; No hampiadana ny Firenena...; Dia i Madagasikara ! Fa sao heverinao aza fa tsy misy mahalala Ny ao ambadiky ny hadalana...; fanaonao isa-marain-tsy hariva , Hanakonana ny marina ?! Mihevitra mantsy ianao Fa tsy misy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/ny-fitiavako
Ny fitiavako
Herilanja RANDRIAMANGA
Efa im-polo niova angaba ito felam-bonikazo, Fa vao nisy mba nitsanga dia nilofika nalazo Efa impiry koa no nivadika ny taona Be ny zavatra nifoha fa izay nisy lasa foana Zay nambolena ka naniry niroboroba vetivety Tsy nahari-taona firy no nilofika sy nihetry Fa ny fitiavana ‘zay nokaloiko, nivoadiko hodoria Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/hilaozanolon-tiana
Matoa
Herilanja RANDRIAMANGA
Matoa ianao nantsoiko, navahiko tamin’ny maro Dia tiako ato am-poko Fitia tsy mifangaro Matoa ianao nanohina Dia noheveriko ho hisy koa Fitia nokobonina Mitoetra ao am-po Matoa Izaho nisaina Lay fitiavana hodoria Dia didy ‘zay nomena Ny hoe mifankatia Matoa Ilay Nahary Nandidy ahy sy ianao Dia tiany hihar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilanja-randriamanga/raha-vao
Raha vao ...
Herilanja RANDRIAMANGA
Raha vao nahita anao aho dia henoko sahady, Misy hafanana avy ao natiko ao, Teo aho dia nangina ary vonona ny hiady Ka hanao izay fomba rehetra mba azahoako anao Raha vao nifanojo ny masontsika roa, Dia tsy hitako intsony ny tontolo ankoatranao, Injao fa miakatra ny fidoboky ny fo Hany aho ka jamban’izato hatsar...