url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/rehefa-tonga-ny-noely
Rehefa tonga ny Noely
Vetso mena
Rehefa tonga ny noely Izay ankalazaina toa fety Miomankomana ny vatana Fa hifarim bona ny mpihavana Jesoa koa anefa miandry Izay ahatongavanao any Hankalaza ny fetiny Ka handray izay hoentiny Rehefa tonga ny Noely Tsy hadino velively Ny hanao fihinanam-be An'ireo sakafo be Jesoa koa anefa ao Efa nanomana ho anao Hanim-be ho an'ny Fanahy Mitondra hery mampiray Rehefa tonga ny Noely Aza atao farahery Ny fitiavan'i Jesoa anao Fa izany no hanavotra anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/r.a.d.-tsy-mahay-mitaiza
R.A.D. TSY MAHAY MITAIZA
AbouNusrayni
R.A.D. TSY MAHAY MITAIZA 1.Dada Malala sy Neniko izany, Variana ny saiko ka te hanontany: Fa maninona hoy aho no tazako hatrany, Hoe ireo mpifankatia tsy ilaozan-tomany? 2.F’inona tokoa no mahatonga ny fitia? Fa maninona ny sasany tsy maharitra ho doria? Mba tiako hianarana fa sao re sanatria, Tafanaonao foana koa ity izaho ity! 3.F’inona no iasanao saina amin’izany! Ny fianarana ifantohana f’ aza mananihany! R’hefa tonga ny anjara ho hita eo ihany, Sady zava-tsaropady io fa tsy atao fahatany. 4.Nareo koa ‘zany tsy mb’ azo an’taniana Zah ‘ng’ efa lehibe sao ianareo variana, Ny namako rehetra efa manan’olon-tiana Sa hiandrasanareo hisy vohoka ts’ iriana? 5.Zah’ matoa manontany dia manam-pahendrena; Ny fanaovana vinany dia tsy azoko ekena; Safidiko ny fiainako , tsy azon’iza terena; Sady zah’ te hamiratra eto amin’ny firenena. 6.Zah tsy mananihany fa te hah’fantatra kosa, Zaranareo zah’ mitsotra fa tsy mba kanosa; K’aza be fangataka andro toy ny mpitrosa, Ny ny adidinareo amiko manjary tsy tontosa. 7.Io ny anao reniny ah, anjaranao izany, Ny mitady vola no fantatro dia izay ihany. Azavao aminy ao ny ny fianana eto an-tany; Hoe rehfa inona sy inona dia latsaka tomany. 8. O r’ingahy ity, fa nahoana kosa moa? Izaho irery angah’ niterka azy fa ts’ isika roa? Samy manana adidy isika ny hanasoa, Samy tokony hanoro azy izay tsy hahavoa. 9. O ry Dada Malala sy Neniko tiako; Nareo variana mifanditra ka aleo dia hitsiako Ny hateza toa anareo anie no mba fanariako. Ka toroy re aho ny amin’izay ho safidiako. 10.Raha tsy hanoro ange nareo izaho hanara-drenirano; De aza gaga rah’ indray andro hisy ho avy aty an-trano. Ho amin’ilay tsy tianareo ka mety hampanganohano. Izay vao ho tonga aminareo ilay hoe nidiran’angano. 11. Hoatran’n’ misy marina izy ‘zany anie ry reniny; Tena matotr’ity zaza fa jereo ange ny teniny. Ny halementsika izao no indro nopotseriny, Ka izao no izy anaka, izao no tena fehiny. 12. Izahay fony tanora tsy mba nisy nanoro; Ka tsy hoe tsy te hanoro f’izahay mangorohoro. Sadaikatra ny lela, ny tebitebinay mandoro. Raha sanatria diso fanoro ny ho avinao sao ho toro. Faranko hatreo aloha. Santionany sady sarintsarina tranga iainan’ny tanora entina hampisehoana fa ilaina ny fisian’ny rafi-piarahamonina na sehatra ifanoroana ny momba ny fiainana eto an-tany na ho ana tanora vao mahalala fitia izany na ho ana tanora efa mitokan-trano, eny fa na ho an’ny tanora efa rava tokantrano koa aza. Zoky Abou Nusrayini 12_15_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joharyj/ho-noely-tokoa
Ho Noely tokoa
JoharyJ
Efa ao am-ponay Ianao hatrizay Saingy mila ampatsiahivinao foana aho Hoe ny fitiavanao Izay tsy mba mandao Fa mitoetra ho tena fiadanana Tsy ho fahatsiarovana fotsiny io Fa ho tena fiainana mba ho fanitsiana Aoka isan’andro aho hankalaza Anao Hanolotra izay tena sarobidy Indro aho ankehitriny Hiovà tsy ho toy ny fahiny Hankalaza hatrany ny fahamasinanao Ho fo mpanasoa Ho Noely tokoa Hanjakan’ilay famindrampo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-mangina
FO MANGINA!
RRAG
FO MANGINA! Ilavitra anao aty toa mahatsiaro, ‘lay endri-tava mifangaroharo, an’eritreritro ao! Ilavitra ny efitra natokanao ho ahy, mahatonga ahy hihevitra sy hiahiahy, fa efa dify ianao ka tsy hiverina intsony, tsy hiraharaha ahy na mba hahatsiaro akory, ny fisiako aty! Ilavitra ny akany ‘zay fitoeranao, hinoako ianao any variana milalao. Variana mangalatra fitiavan’olon-kafa! Io no tsikaritro foiny ianao vao lasa. Ny foko aleo hangina, raha toa ianao tsy ho ahy. Ny fanalahidiny no nahidy, sao indray ka hampanahy, izay mety ho solonao! Fo mangina ve tsy ho afaka, ny hisento hampita hafatra? Hampilaza anao malaky, ny mba hiverenanao, fa manina izy, tena manina, ka aoka re, aza avela ny hitalaho!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/soratsoratra
SORATSORATRA...
RRAG
SORATSORATRA... Nitakoko niandry lera, namerimberin-tsiaro. Ny vetsovetso ‘zay tavela, dia toa fohazin'ny kalo. Dia noraisina ny penina, nanoratsoratra ny tena. Ka nofongarina ireo lalina, nampitraka nampianjera. Nirotsaka tsy satry koa, ny ranomasom-po tavela. Hontsa loatra izany fo, ka narafitra ho litera. Litera hiravina ho tonony, ho tsiahy ny fahiny. Hampiantsa irony molony, hampatsiahy ahy 'lay tiany. Ka soratsoratra no ainga, handaniana izato ora. Tena izy fa tsy lainga, no nokaloina moramora.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sahanny-fo
SAHAN’NY FO…
RRAG
SAHAN’NY FO… Tsy mba zaridaina, tsy tanimbary an-dohasaha. Tsy tanimboly karakaina, fa fo mitepo miendri-tsaha. Tsy novolena voninkazo, na nambolem-bary akory. Fa fitsirin’ilay fitia, izay mateti-resi-tory! Sahan’ny fo fa tsy edena, saha miavaka indrindra. Ny fitia no fandresena, tokana ka tsy azo hafindra. Sahan’ny fo tsy paradisa, nefa kanto sady meva. Tsy mba feno disadisa, tsisy kely sy angeza! Fitoeram-po mitepo, fivetsom-po misento. Fanenenam-po nitroatra, fahalefen’ny hararaotra. Sahan’ny fo fa tsy akany, fitobin’ny mpanam-bola. Nefa resin-dràtra ihany, na dia niady moramora! Sahan’ny fo fa tsy tontolo, hanjakan’ireo tsy rariny. Tsy mba fonja na koa zoga, saha tsy misy taritariny. Fa saha ho an’ireo mitia, tsy manararaotra fahalemena. Sahan’olon-droa mifankatia, tsy mba nisy fanerena! Sahan’ilay fitia nitsiry, niandrasan-ko vaky ravina. Mazava foto-kevitra, na dia maizina aza ny alina. Tara-jiro hafa fiavy, manjelatra toa volamena. Tsy mba misy vato maro, nefa saha be harena! Sahan’ny fo tsy novidina, tsy nanefana trosa akory. Ny hatezeran’ny anio, sy ny fo ‘zay sorisory, toa tsy nahiana ny hitsiry, na hamelana avy aza! Satria ny fo tahiry ao, dia ‘reo vokatra mihaja. Sahan’ny fo fa tsisy sento, mandresy ny hafalian’ny tava. Sahan’ny fo ‘zay isika eto, no ahiana ny handrava. Ahiana ny hamotika, ka hanosihosy ny hasin-danjany. Saha tsy misy rehareha, nefa mba omeo ny tena lanjany! Mba asio hasiny ihany, na dia bitika sy kely. Na tsy hohajaina toy ny mpanjaka, na tsy atao toy ny anjely! Fa tsy ny anio ihany no andro, ahafahana mioraka. Fa mba diniho ny ampitso, sao lahy ianao voatoraka. Voatoraky ny antsy, izay natorakao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitiavana-an-taratasy
FITIAVANA AN-TARATASY…!
RRAG
FITIAVANA AN-TARATASY…! Noraisiko ny peniko, nanoratra aho ho anao. Nokajiako ‘reo teniko, hamaboana anao! Dia zary nofinofiko, ianao ‘lay norohako. Injay ny rotsirotsiko, manarona ny angotiko! Novinaniako teny hoe, nanala akanjo ianao, dia avy nosafoiko, tsy nisy raorao! Nientanentana aho, nitolon’ity tiako! Ny ho eny amboninao, no tena niriko! Toy ny ranomasina, manonja dia mitony, ny tositosintsika, ambany sy ambony! Tera-tsemboka aho, nihiboka hafanana! Ny eny amboninao, akany mahatamana! Minitra roa na telo, valaka sy drodroka, reraka sy sempotra, kanefa tafaroboka, tanaty ainga miavaka, toy ny tsisy fetra, tsy takatry ny sain’ny tia rehetra! Naka aina kely, dia niverina nitolona, tsy nahalala sasatra, tsy nahay nionona. Ny foko nitroatroatra, maniry ny haka tombony, saingy indrisy tsy nahazo, raha tsy sombintsombiny! Satria ny eritreritro, no indray narafi-peniko! Fitia an-taratasy, ity tsy mba nafeniko! Fa teny kosa aloha, ny hafanana anatin’ ny fitiavana an-taratasy, voarakitra tsy ho faty!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/noely
NOELY
Hajanirina Mahavaly
Tonga indray ny andron'ny Noely Fotoana sarobidy sy manan-tantara Fahatsiarovana an'i Jesoa zazakely Nitondra famonjena ka tsy nisy very anjara Mifaly avokoa ny olombelona eto an-tany Fa tonga ilay Mesia nanafaona ny tomany Izy no Mpamonjy izao tontolo izao Mendrika hoderaina fa Mpanavotra ahy sy ianao Asandrato ny hoby, venteso ny hôsana Fa tonga ilay Jesoa nitondra fahazavana Izy ilay masoandro tena mibaliaka Manala ny aizina nandrakotra ny fiainantsika Aza atao mandalo fotsiny ihany ity Noely ity Fa aoka ho teraka ao am-ponao tokoa ilay Kristy Aza hatao fomba ihany ny fandehanana mivavaka Hampidera akanjo vaovao na koa hoe te hiavaka Fa tonga ny Tompo , nitondra fifaliana sy fiadanana Ho an'ny olona rehetra izay hankasitrahana Ny voninahitra atolotra ho an'Andriamanitra Mirary soa ho antsika hanao fety mahafinaritra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misy-fo
MISY… FO…
RRAG
MISY… FO… Misy fanahiana, mihiboka ao anaty, zary faniriana, efa toa tsy tanty, tiako hozaraina, raha toa sitrakao. Valio ity taraina, raha mba azo atao! Misy fo mitepo, reko toa mivetso, ny anaranao, injay fa toa misento, ao anatiko ao, miangavy mitalaho. Ny hitopazanao, ‘lay fo tsy mora lao! Misy ràtra mihitatra, fitia feno fitaka, nikapoka ny fo, ‘lay nanantena soa, reko toa mandrangotra, reko toa mitsipaka. Efa toa tsy tana, tsy tantin’ny fo! Misy fo latsa-tomany, tsisy mba mijery, reko manontany, ny lahatra sy tendry, ka tsy nahazo valiny, na mba nahita maminy. Fa vao mainka aza, nanamafy ny tomaniny! Misy fery efa hadiva maina, efa nalevin-dasa, nifoha vao maraina, ka nampihombo ràtra. Injay manaintaina, mila fanafody, toa manindron’aina, sa kapoky ny tody? Misy any manantena, sy mahatoky ny olon-tiany, ka tsy mba mihevi-tena, ‘zay mety ho lanjan-ditrany, fa manantena foana, ny fahendrena hananany. Saingy indrisy, fa votsotra tan-tanany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny-ianao-nahita-iray-vaovao
IRENY IANAO… NAHITA IRAY VAOVAO…
RRAG
IRENY IANAO… NAHITA IRAY VAOVAO… Ireny ianao solafaka, nitady vonjy tamiko, tafita anefa anio, tsy nahita izay mba tranoko, tsy nahatadidy akory, ilay fiantsoana ahy. Sahy nanadino, tsy nanana ahiahy! Ireny ianao nitady, ahy nisasak’alina, narehitro ny jiro, nampandrosoako ianao. Ankehitriny, modianao ho fanina, satria ianao, nahita iray vaovao. Ireny ianao tsy nihinana, dia nirosoako hanina, nandrapaka ny anjarako, fa tsy nasiako sira. Kanefa ankehitriny, izaho aty mba manina, tsy mba nohenoina akory, izay mba vetson-kira. Ireny ianao noana, nitaky ny fitiavako! Ireny ianao moana, nihindrana ny vavako! Ka ankehitriny toa maneso, ny tokana ato am-poko, nefa ianao fahiny, nanahy ny hosoloiko! Ireny ianao naràtra, noho ny setrasetrany! Ireny ianao nizaka, ny foto-pahatezerany, niangavy nitalaho, niladilady tamiko! Kinanjo ankehitriny, laninao ny mamiko, dia tsy hitanao intsony, ny vavahadim-poko. Noravànao tanteraka, ‘lay hany mba finoako! Ka tsy hita intsony ianao, lasana nandao, namonjy ilay akany, akany iray vaovao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fasako-mifamato-dra
FASAKO MIFAMATO-DRA.
RRAG
FASAKO MIFAMATO-DRA. Fony fahazazako mihitsy, dia efa fasako ny tany, tsy nahitako na tampify, fa isan’andro dia tomany. Fery lava toa mahakivy, hirifirim-po voadona, ny safidy tsy mba izy, toa toy izany teny foana. Ny arapaka tadiaviko, eny am-bakan-jaorodira! Na dia kely aza no hita, dia efa mahavelon-kira. Na dia tapatapa-mofo, sy voankazo efa lo. Rehefa mahavelo-nofo, dia efa mahafaly fo! Ny rano mba sotroiko, moa tsy eny an-tatatra a? Ny fitafy tsy misolo, efa maro-pahafantatra. Ny arapaka aza moa, tadiavina tsy hita, ka ‘zay akanjo mendri-kaja, moa tsy isam-bisavisa? Fony aho mbola zaza, dia efa fasana ny tany, tsy nahafahako nilaza, raha tsy tamin’ny tomany. Ny fijaliana izay lanjaiko, satria aho ve zaza tsy nirina, dia tsy mendrika ny aiko, tsy mendrika avy ny ho tiana? Fony fahatanorako, tsy hoe tsy mba nitsiry ny fitiavako. Fa izy mihitsy no norarako, mba tsy hampihombo izay ràtrako. Noteren’ny fasan-tany, hozakaiko mandramaty. Nefa izy am-poko ao, miboiboika toa tsy tanty! Fony fahatanorako, nomelohinao maditra. Nokarohina hatraiza, fa nolazaina tompon-ditra. Nenjehin’ny maro, nosoketainy sy nesoiny. Nampidiriny tam-ponja, hamafa izay nolotoiny! Ny efi-trano nitoerako, rindrin’efatra mihidy. Ny farafara izay fandriako, rafitra hazo bobongolo. Ny vatan-tenako amin’izay, miaina anaty hidihidy. Naleoko indray ny nitoetra, tan’efi-trano nisy lolo! Ankehitriny aho, ato anaty fahanterako, mbola eto an-dalambe, no mangataka ny arapaka. Ety aho, no miandry ny fahafatesako, satria efa miandry, ny aiko mba hitsahatra. Eto amin’ny adim-pahanterako, moa mba hisy hazavana, izay tsy hitako fahiny, tanaty lalàna malama? Tsy nitserana ny aiko, na dia hita ho marefo. Fasako ny ahy ny tany, fasako ny eto! Fasako mifamato-drà, entin’ny aiko any an-davaka. Afobe amin’ny saiko, tsy nahitana oran-datsaka! Eto anatin’ny fahanterako, no hitomaniako samirery. Eto ihany mantsy sisa, no mety hananako fijery! No mety hananako fitazana, ny hatsaran’ny bikan-tany. Fa fasana izy, sady fasana, mitondra sento sy tomany! Eto anoloam-pahafatesako, no hitomaniako farany. Eto angamba raha ho haiko, no fetra soratry ny tanany. Dia ‘lay tantaram-piainako, toy irony nofinofy. Na dia indray niserana aza, tsy nahitana fo nitosy! Fasako, eny fasako, fasako mifamato-drà! Ny fahafatesana aza, tsy hahasaraka anay. Fa ny anay efa voalahatra, voalavotondro tamin’ny rà. Ka tsy maintsy holanjaiko, eny, zogaiko ho mandrakizay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lalana-malama
LALANA MALAMA…
RRAG
LALANA MALAMA… Nangina ilay toerana, nitondra ilay fakam-panahy, ny siokan’ny ala aza re, nampitain’irony vorona. Nangingina ny tan’ala, nahatonga ahy ho sahy, ny fihetsikao mihitsy anefa, no nanery ahy ho vonona. Ka nandeha ny orokoroka, ilay narahan-tsafosafo, ianao tsy nahay nionona, fa injay! Nitsapa ny ankaso! Ka namaha ny bokotrao, hanesorako ny akanjo, nanakana ihany aho, saingy indrisy fa kinanjo! Nailikao ny tanako, dia avy eo nafatotrao, notairinao ny ratsy, ‘lay tao an-dohako tao. Ka resy aho, resin’ny fakam-panahy, dia sahy nanohy ‘ty raha natao, tsy nisy ahiahy. Dia nitohy ny orokoroka, ny safosafonao tsy niato, trondro aho ity, voaringitry ny harato. Voafatotry ny saina, ka nanadino ireo toky, velirano sesehena, natao tahiry anaty boky. Minitra dimy teo angamba, dia nifarana ny sedra, ilay ady tena mazana, setrasetra tena ‘ngeza, ilay tsy tohi-po nitia, fa voafatotry ny filàna. Anio, neniko avy ireny, zary lalana malàma!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-sy-izaho
IANAO SY IZAHO…
RRAG
IANAO SY IZAHO… Izaho ‘lay feta tany, rafi-tanimanga! Ianao ‘lay raozy mavo, zana-boromanga, ilay tsy mba nitasy, foiny fahazaza. Fitia mangasihasy, ny ahy dia mora rava! Ianao toy ‘rony lisy, fanaingo fanjakana! Izaho toy irony antseva, fanapy voro-damba, na dia mba nitia, toa olona tsy tiana. Nofy avokoa, ireny faniriana! Izaho tarana-dambo, fihaza sy fihinana! Ianao voro-mailala, fotsy fihodirana, fanaja sy fanilo, fa tompom-pahendrena. Izaho anefa adala, mpitrongy sy mpitrena! Izaho sy ianao tsy mitovy, fa samihafa fomba, ny mitia anao, toa mety hampidi-doza! Nefa ny fitiavantsika, tsy nafafy dia namelana! Toa atahorako ihany, ho vetivety dia hiserana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/felana-malazo
FELANA MALAZO…
RRAG
FELANA MALAZO… Fony izaho sy ianao nisaraka, toa nofy tamiko avokoa. Nolazaiko fa nandainga, sady niangatra ny fo! Nefa ankehitriny ireny, vao tena tsapako ny vesany. Noho ‘reo felana nalazo, niandry izay ho fahafatesany! Satria nilaozan-tondratondraka, toy ny foko mbola tia. Zary ahitra sy bozaka, tsy hoe hadino sanatria! Fa niniana tsy nosorohana, fa navela handrava ny aminy. Dia novolena teny mihitsy, haka izay anjaran’ny taniny! Angamba izy, tsy afaka ny hisedra irery. Tsy afaka ny hizaka tena, raha voafato-teritery! F’izaho kosa manan-tsaina, manam-panahy iray mandinika. Ka raha hanapa-kevitra aho, dia ny farany madinika! Izay hotinapahako voalohany, hahafahako mampitsiry, ny felam-poko ilay nalazo, fa voarakotra hirifiry!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/topazo-maso
TOPAZO MASO!
RRAG
TOPAZO MASO! Na tsy tianao aza, ny mahita ahy, dia mba topazo maso, na indray mitazana aza, fa tiako loatra ianao. Na dia nanadino ahy, tiako ianao fa aza manahy! Topazo maso kely, ity tava-malahelo. Ataovy indray mijery, dia aza avela hihelohelo. Fa efa rera-mitomany, leo ny ranomaso-latsany, dia topazo maso hatrany, mba hatsapana izay tena lafany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sitrako
SITRAKO…
RRAG
SITRAKO… Ireny nampitaiko, ho ren’ny sofinao, izay rehetra tato an-tsaiko, hatramin’ny pejy vao. Ka sitrako tokoa, ny hamboraka fitia, izay tokana ao am-po, tsy nofefena ‘lay satria!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-ry-aiko
INY RY AIKO…!
RRAG
INY RY AIKO…! Iny ry aiko tiako, ny tamby avy amin’i Neny, tsy to ny faniriana, saingy asio jinery, ny hoavy sy ny sedrany, izay mbola tsy hita akory. Ny lasa izay nandràtra, aza atao mahory! Etsy dia mangina, fa aza mitomany, tohofy fifaliana, ny tsatso entin-tany. Mahaiza ny misaotra, ireo ninia namingana, f’ireny setra ireny, no tosiky ny dingana! Iny ry sombin’ny aiko, safo avy amin’i Dada, isan-tsiaroko eto, ianao ilay nibada, nisento sy ny nifoko… teo an-tratran’ny aiko, kanefa izao anio, dia singa iray lalaiko. Toaviko herim-po, fa manam-pahasahiana, tsy mitomany intsony, raha tojo fijaliana. Sahy miroso irery, tsy miandry Dada hitantana. Sahy miatrik’ady, miankolaka, mivantana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-mino-aho
TSY MINO AHO!
RRAG
TSY MINO AHO! Raha izao tontolo izao, ringana sy rotidrotika! Na ‘lay efi-tranonao, rava sady potipotika. Dia toa tsy hagaga ahy akory, tsy vaovao amin’ny foko. Fa ny hany toa tsy tantiko, dia ianao ilay ho hafoiko! Raha ny lasa vitantsika, no voarafitra diary. Na koa very sady tsy hita, ireo tsiaro vita sary! Dia tsy horaharahaiko akory, fa toa tantara efa miverina! Fandaniana andro fotsiny, fandanian-dranom-penina. Raha ny orokorokao, no lefin-taona nifanesy! Na izao tontolo izao, no hanjakan’olom-petsy. Dia tsy hanaitra ahy intsony, fa angano efa fahita. Tsianjery efa toa fandre, toy ‘reo lasa efa vita! Fa kosa tsy hinoako, raha ilay fitiavanao. No foana tsy hahitam-pamaritra, ka hadino tsotra izao! Tsy hananam-pahatsiarovana, na indray mikimpi-maso! Tsy mino aho, raha toa nalevin’ny ankaso. Tsy mino aho, fa ianao nilaza ho tia! No nanjavona tsy hita, foiny isika niara-dia. Tsy mino aho, fa izao tontolo izao. Dia mety hahasolo, na hahatakalo ny fisianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/diarinny-ra
DIARIN’NY RA…
RRAG
DIARIN’NY RA… Sora-mitoetra, tsy matin-taona maro, tolom-po manokana, fa tsy mba nafangaro. Tsiaron’ireo sedra, nandatsahan-drà, rakitry ny lasa, diarin’ny rà. Diary tsy mba levona, na foanan’ny anio, mitahiry zava-maro, tsy voafetran’ny lasa. Tsy voafafan-dranomaso, na foanam-pandio, fa voatahirim-po, ilay mizaka ràtra. Sora-mitahiry, ny dinga-nolalovana, tolona tsy hadino, fa zary fahatsiarovana. Tsiaro tsy mba maty, na ringan’ny tontolo, rakitry ny lasa, tantara manontolo. Tantaran’alahelo, tantaram-pahoriana, notahirizim-po, notahiriziny hangina. Mba tsy hanakoako, hisioka hitamberina, handoto ny anio, hihoga hankarenina. Sora-panembonana, ny fery nolanjaina, tolon’ny fo, saika hanafak’aina. Tsiaro tsy hadino, na dia mangidy aza, rakitry ny omaly, ‘lay tontolo fahazaza. Diary tsy mba tonta, na levon’ny fanala, tahiry tsy mba maty, tahirin’ny anjara. ‘Zay tsy hahafahana akory, ny misafidy azy, diarin’ny rà, ‘lay sora-zary tady.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleo
ALEO…
RRAG
ALEO… Aleoko tsy eo ianao, raha mbola hanitatra ny feriko. Aleo mandeha ianao, fa toa zary tsianjeriko, tsy mety maty ao am-poko, ireo lasa novonoiko. Dia aleo ianao hafoiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-foiko-ny-orokao
TSY FOIKO NY OROKAO…
RRAG
TSY FOIKO NY OROKAO… Tsy foiko ny orokao, toa tantely tsy niofo! Tsy foiko ny orokao, eny tsy foiko, hatrany anaty nofy! Ny orokao ihany mantsy, no hany tokana tsaroako, Eh! Tsy foiko ny orokao, tsy foiko, tena tsy foiko! ‘Lay molotrao misafo, ny tavako maloto, ilay tsy nosasako, noho ‘lay orokao tsy foiko. Iny koa tsy foiko, ary tsy ho hadinoiko, tsy mba hosasako, na dia hiosin-doto. Tsy foiko ny orokao, fa toa volamena, ilay lafovidy, tsy toy ny eny an-tsena. Sarotra fitady, na ao anaty nofy, tsy foiko ny orokao, ‘lay ‘zaho sy ianao nitosy. Teo am-parafaran’ny Ray sy Reninao, nanao ‘ty raha natao! Tsy foiko ny orokao, ‘lay namafa ny tomaniko, foiny i Kiaky ilay nianjera, nalavon’ny fiainana, ka lasa tsy niera, niala fitarainana. Tsy foiko ny orokao, tsy foiko satria mamiko, nandefy ny alaheloko, raha ‘zaho niady irery. Nanohitra ny sedra, tsy nisy mba nijery! Fa ny hafa samy toa variana, nandravaka ny akaniny, ny sasany namefy, ny isan-tokontaniny. Fa ny orokao kosa, tsy mba nanary ny finoako! Izy irery ihany, no tena vokatsoako. ka tsy foiko, tsy foiko, tena tsy foiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-azy-hono-ireny
HO AZY HONO IRENY…
RRAG
HO AZY HONO IRENY… Ho azy hono ireny, raha mbola ny fasana! Ho azy hono ireny, raha ferin’ny lasana! Saingy tsy ho azy, raha zogan’ny hafa! Fa lanjainy ho azy, raha todin’ny lasa! Ho azy hono ireny, satria raha nafafiny! Hofonjany ireny, na dia tsy satriny! Ka ho azy ireny, na dia tsy tiany! Tsy maintsy lanjainy, eny, na dia tsy iriny! Ho azy ireny, satria fahotany! Ireny angamba, no solon-tomany, izay tsy maintsy hoentiny, na tiany na tsia! Hotarihan’ireny, na dia mafy ny dia! Ho azy hono ireny, anjara lovany! Ekeny ireny, fa afo fandiovany! Ka ho azy ireny, na vesatry ny aina! Zogany ireny, mitahiry adin-tsaina! Ka iza no haka, ny azy eny an-tanany? Iza no handrombaka, ‘zay hany fananany, dia hamela azy, tsy hisy hamikirana? Iza anefa, no tsy ho sahirana? Ka eo avereno, fa azy hono ireny! Eo mba atero, aza hakàna na kely! Aza hanambinana, fa azy hono ireny! Hotsinjarainy, fa tsy ho azy irery!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/io-ny-varavarako-dondony
IO NY VARAVARAKO DONDONY…!
RRAG
IO NY VARAVARAKO DONDONY…! Io ny varavarako dondony, raha misy ilànao ahy. Hampandroso aho, ka dia sintony, fa aza dia manahy. Manahoana ianao? Valio raha azo atao. Eo mipetraha, f’ity ny sezanao. Ento izato resaka, tianao hambara. Aza atao mahaketsaka, fa halamino tsara. Ampitonio ny fo, f’izaho hihaino anao. Ento, ambarao, izato vaovaonao! Fa kosa, raha toa ka sitrakao, dia eo mba, hahenao. Aza atao lava loatra, fa sao dia hampanoaka! Fa mbola maro koa, ireo ‘zay toa anao. Te hilaza izay nahavoa, nefa leo! Leo ny miandry anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-io
IANAO IO!
RRAG
IANAO IO! Raha mba tsapanao hoe, isany ianao, dia manolora tanana, ireo namanao. Fa banga ny fiainana, raha samy tsy manampy, fa mijinery fotsiny, ireo tsy manana ampy! Ianao io koa, mba isan’izy ireny, mivaky hehy fotsiny, mangina tsy miteny. Mitazana ireto, manana misompatra! Nitily maso azy, tsy nanam-po nangoraka. Ianao io koa, naman’izy ireny, satria tsy misy atao, hafa tsy ny mijery. Mba tsy moana anefa, milanjondanjo-molotra. Ity toetranao, efa toa mahasosotra! Izaho, izy, ary ianao io, mihirahira fotsiny, ‘lay hoe: “Zanahary mba tahio”. Nefa manan’aina, afaka hanampiana ny hafa, dia mitopimaso fotsiny, sady mihafahafa! Nefa izaho, izy, ary ianao io, no tokony hanam-po, hanam-po madio. Satria isika, efa nivoady masina, dia tokony hanaja, ny lanjan’ilay hasina. izay zogaintsika!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsarovy
TSAROVY…
RRAG
TSAROVY… Tsarovy am-po mangina, ny anarako hitoetra. Izay vesa-panahiana, antsoy aho dia ho voafetra. Aza mbola dorana, ireo sariko ‘zay any. Aleo koa mba tsy hanimbinana, ilay mosoara, namafana ireo tomany. Tsarovy am-po misento, ny anarako hampitony. Dia homaivana ny vetso, tsy hisy ranomaso intsony. Ary hangina ny antsoantson’ ireo fo ‘zay mitaraina. Ny fitia tsy hahatsatso, fa toy ny rivotra maraina. Mahay mizara ny tsy efany, ilay tsy vitany ho zakaina. Mahay mamaritra ny setrany, mahay manala ferinaina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jery
JERY…
RRAG
JERY… Oroka najary, natao tsara kaly, ilay nisafo molotra, toy ilay tsipolitra, nanaraka mpandalo, vao nahare ‘lay kalo, tanaty feo manga, no indray nandrangaranga, ny fanantenana, navalon’ny omaly, noho ny hadalana, ‘zay finga-nampijaly, namono ny hafanana. Jery indray nitopy, nitondra fo nitosy, nandrafitra tantara, toa ratsy fiafara, nanitatra ny zaitra, fery toa tsy laitra, efa toa tsy zaka, fa mainka nahazo laka, nanindrona ny tena, namato-paharesena, nanoto-bovo-tany, nandrakotra tomany. Maso indray nitily, nibanjina ny lasa, no faka nampitsiry, ‘reo ‘zay vita kasa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-teny-aminareo
‘LAY TENY AMINAREO…
RRAG
‘LAY TENY AMINAREO… Ianao irery no tan-trano, nijoro teo an-davarangana. Nandrangaranga nijinery, ‘lay masoko nangarangarana, nitily maso anao ilavitra, ka nifanojo ny masontsika. Babo aho, resinao, dia lefy ho azy ilay hatsiaka! Nisioka mafy ianao, mba hampitodika ahy indray, hijery farany, mialohan’ny handaozako ‘lay vohitra! Nivoaka ianao hanatona ahy, kinanjo ‘njay! Fiara iray nitatatata, nandonanao ‘lay potraka, tafintohin’ny vato, nialohan’ny niampitàna. ‘Lay fifaliako kely teo, zary lonjitra hadalana! Niazakazaka aho, namonjy anao nianjera, saingy indrisy, niala ny ainao, izaho tara lera! Tsy nahafantatra akory, izay mba fiantso anao! Tsy nahalala akory, izay anaranao! ‘Lay teny aminareo, teny no nifankahitàna, teny no fotoana, tsy maintsy nisarahana! Hitako ianao, teo no fiandohana, io andro io ihany koa, ilay androm-piafarana! Teny aminareo, no nahitako ilay masoandro, nefa teny ihany koa, no nahitako haizin’andro. Nisy varabe nilatsaka, nianjera teo an-dohako! Teny ihany koa, no nandevenako, ilay finoako! Fa fifaliana tsy naharitra, ranomaso ninia nisembana. Fery vonona ny hanafika, tsy nanomanam-pitandremana. Ka ‘lay teny aminareo, toa zary halako mihitsy! Teny ihany koa, ny fanantenako, no nanjavona tsy nisy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mbola-misitery
MBOLA MISITERY…
RRAG
MBOLA MISITERY… Maloka tanteraka, tsy hahitana hazavana! Mihovitra daholo, nilaozana hafanana! Nilaozan’olon-tiana, misento mangina! Manamelo-tena, noho ‘ty vohoka tsy nirina! Maizina avokoa, ireo lazaina ho soa! Malazon’ny fahiny, ny vina ankehitriny! Mizaitra toa mamery, ny ao anaty fo! Fa mbola misitery, ‘lay ràtra nitahiry! Kilan’ny afon’ady, ‘lay hany mba finoana, ravam-paharesena, ny voady vita toky. Hany, nangina tsy niteny, toy irony moana, satria efa norovitina, ny pejin’ilay boky! Maloka tanteraka, am-pototra hazavana! Mihovitra avokoa, anoloana hafanana! Raha vao nilaozan’olon-tiana, ka voatery niady irery! Maizina avokoa, toa mbola misitery!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lanto
LANTO…
RRAG
LANTO… Tetika voarindra, sady tsara rafitra, soritim-piandohana, fehezina ho haharitra. Faranan-tanjo-nokinendry, sy ny vinavina, ilay tsara fandaminana, fa noraketin-dina! Tsy maika toa tsy taitra, saingy tsy ho tara, satria tokoa mantsy, efa voalanto tsara. Tsy feno nefa tsy banga, tsy ahiana hanahirana, vao dingam-bita iray dia, ahita-mangirana! Milanto sy milamina, mitony sy mirindra, ny paika novolaina, ‘zay ainga kanto indrindra. Tsy hisy fahataperany, saingy toa voafetra, tsy tena fanaperana, fa kosa miava-toetra! ‘Zay ‘lay lanto tokana, mietry sy manetry, tsy tia mihambo tena, fa isan’irony fetsy. Saingy tsy manaiky, halavo am-pisedràna, mahafantatra ny hona, sy ny lalana malama! Lanto! Ilay ivom-pandeferana lafatra sy fatratra, fitaratra voatokana, ho singa mpampita hafatra! Ilay filanton-kianja, fonenam-pahasambarana, saingy ny eto an-tany, toa nofy! Izany hoe fiadanana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-nafoiko
EFA NAFOIKO…
RRAG
EFA NAFOIKO… Mavesatra loatra ry fo tsy mahatsapa, ‘ty fery zogaiko. Afo mandoro tsy mety maty mitanika ny aiko! Ianao anefa efa nanadino ny tena fisiako. Toa volamena tsy ankosotra intsony ‘ty tsy maintsy ho hariako!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tanaty-nofy
TANATY NOFY…
RRAG
TANATY NOFY… Tanaty nofiko iny omaly, ilay sariakàn-tavanao, ilay nahatonga ahy hifaly, raha vao nanofinofy anao. Tamin’iny irony tsiky, no nisavovona tan-tsaiko, taitra aho ka zary indrisy, fa tsy hita intsony ianao. Tanatin’iny nofiko iny, no nahitako anao tomany! Tanatin’iny nofiko iny, no nahatsapako fa mijaly! Mijaly loatra ny fonao, raha iny sendra ianao nangina, mody tsy niteniteny, eo anoloan’olon-tiana! Izay ninia tsy nijery!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-anaranao-voatonta
NY ANARANAO VOATONTA…
RRAG
NY ANARANAO VOATONTA… Mampatsiahy ahy ‘reo mamy, niainako fahiny, foiny ianao tanilako. Ny anarana entinao. ka nampanembona ahy ‘lay oroka, ilay natolotrao ny molotro. Ilay anaranao voasoritra, tan-diarin’ny fitiavako. Dia iny no hosoratako, rehefa an-tanako ny penina. Dia iny no handrasako, ho ren’ny sofiko hitamberina. Iny anaranao iny, no tena zary fanantenako. Ka aza dia omena tsiny, raha toa iny, no fototry ny hadalako. Ny anaranao voatonta, voarakitra ao am-poko. Ny anaranao no sota, fa tsy nandrava ny finoako. Ka hotanako ho ahy, na hitondra ràtra mafy. Fa manantena ny fanahy, hoe: “Ny anaranao tsy ho faty”.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny
IRENY…
RRAG
IRENY… Andrin’ny fitiavana, antoky ny fo, be saina fa tsy miavona, endriky ny soa! Manga feo sy toetra, avoaka hiampita, nofy amin’ny lalina, na dia hoe tsy vita! Ireny lasa ireny, izay nisy ny orokao, nambabo ny fijery, ny amanga masonao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jajajaja
JAJAJAJA…
RRAG
JAJAJAJA… Jajajaja mafy tsy afaka hifandrenesana, no hika re manarona ny efitr’ilay zaza! Tabataban-jaza tsy nisy fiambesana, fa manao ny ataony, no re mivazavaza! Jajajajan-jaza tsy tony tsy hay tohaina, no mamaky fo ‘ty Reny reraky ny ady! Hikahika mafy mankarary saina, no indro vao maraina, dia renao sahady! Dia ahoana koa no ahafaham-po mitony, raha ny ady aza mafy, nefa mbola mikotaba, tsy hahenoina, izay an-tany intsony, ‘ty tabataba mafy sy jajajajan-jaza? Dikan-teny: Jajajaja = Tomany milelalela
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/volamena-tsy-miloko
VOLAMENA TSY MILOKO…
RRAG
VOLAMENA TSY MILOKO… Foanan’iny nofiko iny, tsy nitoetra ela akory, tsy mba niandry ahy ho tony, na hifoha tamin’ny tory! Ilay fanantenako ny hahita, hahita anao handray ny tanako, lasa ianao, lasana nandao, fa tsy ho isan’irony namako! Teo no nahatsapako, fa ny nofy volamena, saingy indrisy tsy miloko, na mba mitoetra ela. Fa mandalo dia miserana, toy ny vinavina vita, tsy nisy iray mba tanteraka, na nisy ihany koa tafita. Teo no nahafantarako, fa ny foko tena tia. Vao niandoha dia hofaranako, ity nofin’ny fitia. Satria ianao efa tsy hitako, efa nikaroka vaovao, ka maika ery nandeha tsy ho hitako, maika ery ianao nandao! Volamena tsy miloko, tsy misy soritra voafaritra, tsy fanta-poto-nipoirana, nefa toa mba hoe mangirana, vao tarafin-kazavana… Volamena saingy nofy, tsy hay tsapaina na harena. Tsy mba mari-bolafotsy, toy irony notefena. Fa tena volamena mihitsy, saingy izy tsy miloko. Tena fitia lafovidy, ilay nitoetra tato am-poko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lafaza
LAFAZA…
RRAG
LAFAZA… Teny izao ny ankizy no naka sy nioty, sira handrahoana, laoka anio hariva! Teny irony lisy no niangotingoty, nananika ny taho, avo sy ny iva! Teny ny lalao, no re naresadresaka, nisian’ny ankiafina, nataon’ireo kilonga. Teny irony vorona, no injay nipetrapetraka, namahana ‘reo zanany, ‘zay zary dongadonga! Ny lafazanay dia hazo iray miavaka, manaingo ny tanàna, mitondra alokaloka! Ny voniny amin’izany, no injay mandravaka, rehefa izy indrindra, hita ho vasobasoka! Ny lafaza tsy hoe tsy akory, voary mahagaga, fa hazo toy ny hazo, manana ny soany! Afaka mameno, ny foana sy ny banga, ny faka sy ny rantsany, mitondra irony vony! Dikan-teny: Lafaza = Zava-maniry (Hazo fakàna sirahazo).
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/visavisa
VISAVISA…
RRAG
VISAVISA… Neny tiako, mitonia, aza avela handresy izany, ireo sedra izay minia! Minia mandrava ny efa vita, efa tafatsanganao. Mitsangana dieny izao! Neny tiako sanatria, ny fitiavana natolotrao, no rotehiny ho simba! Ny voady vitanao, ilay nahosotra fitia, no handratoany gidragidra! Ry fireneko, misahia, mandefitra ho an’ny rariny! Fa ny fitia, no fitoetran’ny marina, dia ‘lay karoha-mbola tsy hita. Toa anaty lava-dalina, nofinofy visavisa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/laodivy
LAODIVY…
RRAG
LAODIVY… Mamo tena mamo, tsy mahita ny hombana! Doroky ny taoka, dia nikaoty ity Ramama! Niezaka nisafo ny ivom-pitombenany, voadaka tsy hita maso, teny amin’ny harenany! Tsy nahazaka izato tenany, safotra nianjera! Dia nifamonjena ka nandaniana lera! Ka injay ny anao nanofy, fa mbola any am-pirevena, laodivy iray tavoahangy, no nigohana tsy ankiera! Tampona tanteraka, hatrany anaty nofy, ka efa hila ho hazeran’ity taoka nampitosy. Dia injao namafa lalana, mpanadio tanàna! Ny tena amin’io, mbola manofy orohan’ilay Ramama! Laodivy ilay mahery, tsy nahafafa irony volana, no natao indray nigoka, hanalana sedran’olana! Saingy iza no tsy hiteny, raha mbola manam-bava? Rahoviana koa moa zany, ‘ty taoka vao hisava? Loza izany hoe: “Mamo hatrany anaty nofy”. Fa mbola loza koa: “Ilay an-tatatra ny hitosy”, hanosihosy fotaka, mandry sady maimbo! Fa mamon-daodivy, dia hametraka baraingo! Dikan-teny: Laodivy = Taoka mahery (Eau de vie)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsindry-hazo-lena
TSINDRY HAZO LENA…
RRAG
TSINDRY HAZO LENA… Sao tsy rariny intsony, fa tena kapoka hamono, ity hazera hampihetry, ny madinika indrindra. Sao ho ràtra entim-pony, ity fery miahy hatono, hozakain’ny saina resy, ‘lay hany sahy namindra. Nolovaina irony latsa, isan-dova koa ny fery. Ny tsindry hazo lena asa, toa mbola isan-teritery. Famatorana ny kely, ilay nangina tsy niteny. Tsy hantenain-ko tantely, satria fery entin-drery. Sao tsy lalanao anefa, fa ‘zay vitanao anio, dia aloka tsy afa-kilefa, hiendrika hery toa tadio. Ka ny lasanao rehetra, dia hivarina amin’ny hoavy, ka ho zoga tsisy fetra, ary ho zary fato-tady.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafanana
HAFANANA…
RRAG
HAFANANA… Nijojo nirotsaka nanarona tava, ilay ora-mikijan’ny andro fahavaratra. Ny foko anefa tsy mbola nisava, fa tazako ihany ilay lasa nitaratra. Nandalo ianao, nanipaka mora ‘lay volo efa kotsa, nanolan’ireto fitafy efa lena. Sendra nierika nahatazana ahy, nijanona kely nandinika tava. Nitsiky madinika tsy tan’ahiahy, toa nahatoky tena! Ka nijanona mihitsy izato ianao, ny mba hiarahaba! Manahoana? Hoy ‘lay feonao milanto, fa angaha ianao moana? Hoy ‘ty vorona kanto, fa tsy mba namaly izato arahaba, sa menatra kosa ny hanoka-bava ? Sadaikatra aho tsy nahaloa-peo, nijinery fotsiny izato bikàna. Nihaino ilay hantahantam-peo, nanala ny hatsiaka dia nitondra hafanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fantatro
FANTATRO…
RRAG
FANTATRO… Fantatro ianao, fa mbola tia ahy! Tsapako amin’izao, fa mody tsy manahy, nefa toa matahotra, ny ho isan’ny tsy tiako. Sady toa miahotra, manahy ny hosafidiako! Fantatro ianao, fa efa miandry teny! Ekeko ihany koa, fa efa nitsianjery, dia mody tsy nahalala, izay ho valin-teniko. Satria efa nahatsapa, ‘reo lasako ‘zay neniko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mbola-mino-aho
MBOLA MINO AHO.
RRAG
MBOLA MINO AHO. Mbola mino aho fa ny foko, tsy mihevitra ny ho tiana. Ny fitiavako nafoiko, ianao koa nariana. Mbola mino aho f’ianao, tsy nanadino ny fisiana. Na dia nilaozako nandao, dia mbola manam-paniriana. Mbola mino aho fa mbola hisy, ny andro hihaonantsika roa. Saingy indrisy, fa ao anaty ràtram-po! Ao anaty ferinaina, miraki-tsedra misitery. Ka nahatonga anao halaina, handray fitia mitsianjery. Mbola mino aho fa tsy hatreo, no fara-fetran’ilay faritra. Sady mbola tsy ireo, no hametra azy ho tapitra. Fa ny fonao mandà mihitsy, no hiandrasako hiteny. Nefa indro fa dia vitsy, ny finoako ireny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/veloma
VELOMA…
RRAG
VELOMA… Veloma ianao ry tiako, f’izaho tsy maintsy handeha, handeha handao anao! Veloma ianao satria, ny foko dia voatery, na dia tena tia, ny hanadino ireny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jabolevona
JABOLEVONA…
RRAG
JABOLEVONA… Jabolevona ny fanantenana, fa izy tsy hiverina! Nofinofy ny fahazanana, raha tiana hitamberina! Ranomaso no mby eny an-tava, rakofan-tsento! Ny maraina aza ity tsy mazava, nangina ny vetso! Jabolevona ilay fahafahana, hany niadiana! Jabolevona ny fahagagana, ilay notinakiana! Alahelo no mamatotra aina, tsy hay fafàna! Izay natao dia ‘njay very maina, vokatra hadalana! Dikan-teny: Jabolevona = Very maina (na lany)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleo-ho-any
ALEO HO ANY…
RRAG
ALEO HO ANY… Mangina dia aza mitomany, fafao ny ranomaso, ka aleo izy ho any, hanaraka ny ankaso, famafin’ity tany! Mangina, k’ampitonio ny fo, fa tsy anjaranareo roa, ny hiaraka hamaky, ‘zay sedra ho mandramaty. Aleo izy ho any, raha toa nanadino, ilay akany mamy. Aleo izy ho any, raha toa ka tsy mino, ny todin’ity tany. Fa hotsapany eo, izany fahanginana, ary ho hitany eo, ny fo rehefa sahirana. Ka jereo, tsy maintsy hiverina iny! Jereo, fa havesatra ny tsiny! Hampitondrain’ilay fandaozana, hozogainy mandramaty. Ka tsy hananam-pihavaozana, fa fery enti-maty!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/oirina
OIRINA…
RRAG
OIRINA… Noirinao hiala, teo amin’ny ivom-pony, ny fon’ilay fitiavana, hany notompoiny! Noirinao hihaisotra, ny akanim-pitiavana, ‘lay hany tady tokana, famato-pihavanana! Dia lasa ianao nandeha, nisidina niala, sendra sedra mafy, vao niantso indray malala! Kanefa ianao ihany, no nandrava ny efa efany! Ary ianao koa, no nanamafy ny fiantefany, hianjera handràtra azy, an-davaky ny haizina! Izay tokoa ve, ilay hoe nofaizina? Noirinao hihaisotra, handao ny efitranony, ny fanantenana, hany mba akaniny! Dia mbola, oirina hirodana, hanindry ny fahafahany, ny lasa sy ny etsetrany, izay mbola tsy voafafany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/zinona
Z’INONA…?
RRAG
Z’INONA…? Z’inona ianao no sahy manatsafa, ny alalin’ny fery nondesin’ny lasa? Iza ianao no sahy mampihombo, ny alahelo, ka tsy mena-mampitombo, ny resaka atao handotoana ny hafa? Saingy iny anefa dia efa nahazatra! Z’inona ianao no tsy mena-miteny, fa ny lasa nosedrainy dia hainao tsianjery? Nefa iza ianao no sahy manontany, ny hevitra entin’ny fo mitomany? Tsy menatra handatsa sy hanesoeso, dia mody mandretoka fa hoe velon-tsento! Z’inona ianao no hitsaran’ny tsy efa, ka mbola hamesatra ny neni-miantefa? Z’inona ianao no mangala-pijery, kanefa tsy sasatra ny maneritery, fitia tsy ho anao fa efa manan-tompo? Iza ianao ‘lay mpampitsitoko?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pahina
PAHINA…
RRAG
PAHINA… Mieza-mijinery saingy tsy mahita, tsy jamba nefa koa tsy mety ny ho tafita. Efa fitaham-bady dia mody tsy mijery, toa tsy moana anefa, tsy afaka miteny! Tia dia nampirafesiny, natao toy ny tsisy, tsy mba vehivavy tokana, na koa vitsivitsy. Fa efa ho iray tanàna, ity nimaolàna, pahin-tsy mahita, dia nidona ny tolàna! Efa nijangany dia mbola miari-pery, ny lasa vitany avy no injay vita tsianjery! Tsy leo ny mitanisa ny vono sy ny daroka, tsy fay ny noana lava, sy kibo mangaroka! Fa tsisy izay ho arapaka, fa lanim-badikeliny! Kanefa dia ianao, no nolazaina anjeliny! Pahina ny maso sa minia tsy mitazana, ‘ty anakao misento, ka zary mihidy vazana, leo ny homa-maitso, leo miloaka anana, lao ‘ty toetranao, miraviravy tanana? Tsy rehefa hoe ialàna dia avy dia hipitsihana, fa ‘zay tambiny sy toky, ve no hanahirana? Tsy tia izy mantsy, matoa mampijaly, ka ny zanaka naterany, no navelany ho mosary! Tsy pahina ianao, fa mbola diso tia, saingy ny zanakao no mila indray fitia, avy aminao ‘lay Reny, tokana sy andriny! Ahafahana mikendry, ny haavon’ny tanjony!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/virijiny-mampirafy
VIRIJINY MAMPIRAFY…
RRAG
VIRIJINY MAMPIRAFY… Tsy fijery amin-toetra, na amin’ny vatana madio, ireo olona mpisetra, mitondra sedra toa tadio. Tsy fitopy eny amin’ny maso, ireo olo-mahatoky. Tsy ny lasa no mpiankaso, fa ny tahiry anaty boky. Virijiny mampirafy, toa tsy henatra intsony. Eny an-dalana eny, amin’izato fitafy, efa ho eny am-poto-pe. Tsy misy henatra akory, manadala ramose. Ity koa dia resi-tory! Virijiny efa mitapy, milangalanga an-dalambe. Mahita lahy dia miantsampy, dia mba virijiny ve? Sa virijiny ara-nofo, ilay nahay nitandrin-tena? Nefa ny toetrany maloto, tsy ahitana fahendrena. Toa manameloka ny hafa, ilay nazeran-draviravy, sy nofatoran’ny lasa, ka nanamafy irony ady. Saingy ny azy toa tsy hainy, tsy mba tsapany akory. Tsy mba nataony tao an-tsainy, fa izy ihany no lotony!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-indray-no-tsy-hitako
INY INDRAY NO TSY HITAKO…
RRAG
INY INDRAY NO TSY HITAKO… Lalina dia lalina ny nofinofintsika, ianao no teo anilako! Tsy mba namboarimboarina fa tena vitantsika, ianao no tena silako! Ianao ‘lay vadin’olona, voalohan’ny fitiavako. Efa anjaran’olona, fa mbola norombahako! Loza tena loza ‘ty zava-bitantsika, ianao ‘lay notolomiko! Tsy kisendrasendra f’efa nirintsika, ianao handray ny oroko! Ianao ‘lay tian’ny hafa, ianao no hany tiako. Izaho tsy nihafahafa, nanàla ny hirifiriko! Marina avokoa ‘reo vitantsika, fa tsy nisy nofinofy! Ny andro koa moa tena nangatsiaka, k’izaho nitady tosy! Dia satriko dia satriko ny mba nisy anao, nitondra teny mamy. Tsy misy hanenenako izao vita izao, fa aleo izy hitomany! Tsy nisy nanalana na iray akory, ny fitiavam-poko! Izany gadra izany, toa fampiesonan-tory, ka aleo fa hotompoiko! Raha tratram-badinao, na tratran’olon-kafa, ety am-parafara. Dia hahita izy ireo, fa nofinofin-kasa, no niandohan-tantara! Ianao ‘lay niboridana, ianao ‘lay tsy niakanjo, nitondra ahy hiridana, hitady izay masoandro, any ilavitra any, mba tsy hisy fo tomany, noho izaho sy ianao, ety ambonin’ny tany. Dray! Mitapy angaha ‘ty ‘zaho, manofy toa ririnina? Eo hoe tsongoy kely, fa tiako hamarinina! Ay! Kisarisarin-jery, novelomiko hitosy! Iny indray no tsy hitako, fa hoe ‘ty ‘zaho manofy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-dia-mangina
INY DIA MANGINA…
RRAG
INY DIA MANGINA… Iny dia mangina, aza mitomany. Asio fifaliana, mba hanamamy tany! Iny dia misaora, izay mpanome. Aza avela ho foana, ao am-pon’ise! Fa ny firaisankina, dia tokan-tsaro-pady, sady mananjina, ka alaviro ny ady. Iny dia mahaiza, mahaiza mankasitraka. Nefa ho hatraiza, vao tsy hisy fitapitaka? Atahorana handrava, ‘ty firaisankinantsika, ‘zay efa toa mazava, fa hita mangatsiaka. Iny dia mba raiso, ny tanako mila tantana, hovelomintsika eto, anaty fisandratana, ilay firaisankina, ravan’ny omaly, tanaty fo nitroatra, tanaty fo nijaly. Tanaty hatezerana, zary loniloni-po, fohazintsika ireny, hikaroan-tsoa, hanambarana indray, ny tady efa tapaka, hamoahana ireo, voafonja any an-davaka! Iny dia mba tsofy, omeo tso-drano ireo mikiry, ka mifandray tanana, anaty firaisankina. Tondraho, ireo fitia nitsiry, afaka manambatra, irony vinavina. Iny dia mangina, aza mitomany. Asio fifaliana, mba hanamamy tany. Asio fandeferana, lavi-donilony. Ny entanao mavesatra, zarao raha tsy hampitony. Iny dia sahia, sahia ianao miroso! Sahia ianao, sahia ny handroso!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jereo
JEREO…
RRAG
JEREO… Ry voahangin-tsaha maraina, ‘lay mitoetra ao am-poko. Aza avela hitaraina, fa mba jereo ity foko. ‘Lay midongy satria tia, te ho anilanao hatrany. Mikiry ny hiara-dia, hatrany am-paravazan-tany. Ry salohy fanantena, toy ny felam-boa miavaka. Aza avela ho faharesena, no hitondra any an-davaka. Fa mba jereo dia ampio, ilay foko manantena. Tiako hiova ny anio, mba ho andro fandresena. Ry maraina maiziko iny, fery maro no mitoetra. Hatramin’ny fo tsy manan-tsiny, dia nandrombinan-tsetrasetra. Nizoga holatra maraina, milanja ràtra rehefa hariva. Isan’andro mitaraina, eh! Ka ny hazavana ity madiva!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-dia-lavitra
NA DIA LAVITRA!
RRAG
NA DIA LAVITRA! Na dia lavitry ny maso, any ianao no mitoetra, minia mandositra ny ankaso, ilay tia misetrasetra, dia tsy hadinoko mihitsy, fa tsaroako eny foana, ny fitiavan’izay nisy, niafaran’ny fo nisaona!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-penina-iny
INY PENINA INY…
RRAG
INY PENINA INY… Iny ilay tsiaro, nanoratako ny teny. Ilay nandrafetako, ireo episitilintsika! Tsy foiko na dia maro, ny mitovy toy ireny. Peniko iny, peninao, iny koa no penintsika! Iny penina iny, ilay namela irony marika. Tsiahy ny fahiny, sy ny lasa efa navadika! Iny ilay penina, tokana hany voatahiriko. Na lany aza izy iny, toa tsy mbola nariako! Iny penina iny, ‘lay fandrafetako tantara. ‘Lay isan’ny tsy foiko, tsy hadinoko mihitsy. Iny penina iny, no hany tokana mba tsara. Sady tsy hosoloiko, satria ny lasany tahiry! Iny penina iny, ‘lay fanolorako arahaba. Fanoratako lay teny, hoe: “Tiako ianao”. Iny ihany koa, ilay nama-mpampisava, namafamafa ranomaso, raha ilavitra anao! Iny penina iny, no nanaovako veloma, irony taratasy maro, nifandraisandraisantsika! Iny no mba hany, fandaniako fotoana, anaty ali-maromaro, hanjakan’itony hatsiaka! Iny no namarana, nandrava ny fitiavana, tamin’ny sora-kely monja, narahana veloma. Iny no sampanana, nalaviran-kazavana, tena namana, fa saingy nanan’ora! Manam-petra ihany, ka tsy afaka nandravina, ny ola-nosedraina, noho ‘reo diam-peniny. Nefa satry ihany, ny voasorany hotiavina. Kinanjo mahamay, ny afon’ny neniny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ritsoka
RITSOKA…
RRAG
RITSOKA… Tsy tomombana ny saina, ary tsy lafatra ny fo. Toy ‘lay andron’ny maraina, tsy voatery hamoka-tsoa. Ny vary aza tsara toto, misy ritsoka manaraka. Ny lamba fotsy mitan-doto, manam-petra manasaraka. Tsy voatery ny fo hitia, fa mety koa mba mankahala. Tsy ho manga koa ny dia, raha tsy hisy fitsapana. Toy ny ritsoka mikiry, manahirana mpahandro. Dia ny fitia izay mitsiry, misy sedra isan’andro. Tsy ho tanteraka avokoa, ny tombantombana natao. Misy aza ireo mahasoa, isan’ny hadinonao. Tsy tsaroana intsony ireny, noho izy efa an’ny lasa. Saingy ianao tsy sahy mijery, manombantombana ‘zay kasa. Dia lazainao fa ritsoka, manakana ny dianao. Ny masonao ny hoe ditsoka, nefa ianao no tsy hanao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tokana
TOKANA
Fidy Art Niaina
Eo anivon'ny natiora no indro hikaloako Anefeko ny ratra tsy hihitatra ho fery Ampitsaharako ny foko tsy hitia mba horatraina Fa hianoka ny kanto; hankafy ny miaina Foko, tokana ianao, nitempo mba ho azy Fitiavako, noraisiny ianao, nataony vazivazy Fanahiko, nilaozan'ilay silany, saika maritiora... Saio namily lalana ahy hiverina hankafy natiora Eny, tokana aho, tokana ny aiko, tokana ny foko Ny hatsaran'ny miaina, notakonan'ny ankaso ho zary toloko Manirery ianao fanahy; trotraka, osa... Ny foko mba nitia, tsy sahy intsony, indrisy toa kanosa Indreto manodidina ahy natiora tongalafatra Hanilo ahy eto: masoandro mamiratra sy volana tomaratra Torovana ny aiko, eto anivon'ny natiora aho izao no miala sasatra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/s.bem/ny-rariny-saro-tadiavina
Ny rariny saro-tadiavina
S.bem
Ny rariny saro-tadiavina Ka aza manaohevi-dravina Fa fisaka ity ho karohina Tsy hitan'ny fo mora tohina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofinofy
NOFINOFY…
RRAG
NOFINOFY… ‘Ndeha, hotantaraiko ny hadalako, tao anaty nofy omaly: “Nofinofiko iny omaly, ny hanidina aho dia hoe, nofin’ny fahiny, toy ny hita tan-“télé”. Kinanjo taitra tampoka, ny masoko nahiratra, miangatra ny lanitra, f’izaho ity sahirana. Ny arapaka aza tsy hita, ny atelina tsy misy, ny nofy ity tsy vita, mikiry mitampify. Mamikitra fandriana, midongy ny hafanana, nefa fo sahirana, nilaozan-tsy tamana. Nofinofiko iny omaly, ny hanidina dia hoe. Nofinofin’ny fahiny, ny mba hiseho an-“télé”.”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hamehezana
HAMEHEZANA!
RRAG
HAMEHEZANA! Toy ny rano an-tendrombohitra, mahita lala-mikodana, saingy tsy izay no sakana, tsy ahafahany hiampitana, hivarinany an-drano, ‘zay ranomamin’ny fahafahana, ranomasin’ny tomany, ‘lay tontolom-panjanahana. Toy ny voron’ny ala, hafa fijery saingy babo, miriaria an-danitra eny, tsy manahy ny ho lavo, tsy voafatotra anefa, voafehin’ny herin’ny ainy, tsy marary nefa kosa, tsy milamina ny sainy. Toy ny raozy an-jaridaina, mba voakarakara tsara, nefa manam-petra ihany, eo ampiandrasana ny anjara, fa hotinapahana ho haingo, handravahana akany, saingy ny anio ihany, dia ravan’ny fasana avy hatrany. Toy ny fo vao nitia, dia nilaozan’olon-tiana, tao anaty ilay fitia, notohofam-paniriana, ka niteraka fery, ràtran’ny po tsy hay sitranina, indro zary tsianjery, rehefa iny sendra manina. Hamehezana izay, dia hafa ihany ny milefitra, fa tsy fonja higejàna, ny nanaovana ny efitra, ho rindrin’efatra toy io, na mankararirary aza, mangina, aleo izany ho any, aza asiana tabataba!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ampamoaka-sy-fanentanana
AMPAMOAKA SY FANENTANANA…
AbouNusrayni
AMPAMOAKA SY FANENTANANA… (Les secrets des agents djihadistes à Madagascar) 1.Mahavariana ihany ho'ah - ry zalahy sasany iretsy, Raha andeha atao hoe bado - nefa toa mbafetsifetsy. Manasa atidohan'olona - f'efa akaiky hono ny ady; Ka tsy ilaina intsony izany - mbola andeha hitady vady. 2.Ireo efa manantokan-trano - dia omeny toromarika; Iray na roa ihany ateraka - fa ny lehilahy ho voasarika. Ho any an-dafy tsy ho ela - mba hitolona hifofotra, Ny fanjakana Islamika - tsy azo avela ny ho votsotra. 3.Rehefa resy tany Iraka - sy ny ampahan'ny Syria; Dia misisika any Eropa, Afrika sy Asia. Ny ekipany any anefa - tsy mahavoa sady tsy ampy, Dia hatraty Gasikara - no manofana mpanampy. 4.Paikadin-dry zareo - ny hanao izay haha dondrona, Ny fahalalana sy fianarana - no iadivan'ity vondrona. Tsy misy ilana azy hono - ny fampianaran'ny vazaha***; Ny Koroany dia ampy - hivelomana any an-tsaha? ***(io no firehana fonosin'ny teny hoe Boko Haram na Boky Voarara) 5.Tsy mahafaly azy ireo - izany hoe manan-diplaoma; Ireny manko mahatakatra - fa tena ratsy ity saoma (kilalao). Ny vehivavy aza ferany - tsy hivoaboaky ny trano; Na koa tsy hiseho endrika – fa sao mampiditra angano. 6.Dia mody hoe fiarovan-tena - tsy ho azom-pahotàna, Sady ho voafehy tsara - tsy mba hanao hadalàna; Fa ny tanjona ao ambadika – dia tsy finoana loatra; Fa finiavana hanakobona- ny sainy tsy hivoatra. 7.Anjara inona no ho azo - n’ny vehivavy misaron-tava? Izay hampakatra azy ho vady? Ho ankamantatr’ eny lava! Ny fianarana navelany - satria izany no toromarika. Ny mpampiasa tsy misy haka - vao mahita dia hangarika. 8.Rehefa maro ny voafandrika- amin'izato paipaika; Dia ho betsaka ny ho lasa - vadivady vonjimaika; Tsy ho vady voasoratra - satria izany hono tsy ilaina Mody hoe vady ara-pomba- nefa izy no ambakaina. 9.Tsy tia olona hianatra – mba hampanjary ny taranaka; Fa ny sekoly hono hoe - fanandevozan'ny mpanjanaka. Tsy mila vavy mba hivoatra - ka tsy ho voafehy intsony; Dia mody fitafy ara-pinoana - no voizindr'ilerony. 10. Izahay rah’ miteny izany- sanatria hampiboridana; Tsy izahay velively akory - no hampirisika hiridana. Fa tsy afaka hitazam-potsiny - izato loza efa manambana; Inona moa no mahazoky - raha tsy mba hiteny sy hitsangana. 11. Ho zakaiko ny andraikitry - ny teny izay avoakako; Ho tsarain’ny Tompo aho - eo anatrehan’ny vahoakako. Antenaiko mba ho ekeny - izay anjara biriky kely. Sanatria tsy ho voateny- tsy nah’vit’ adidy velively. 12. Dia faranako ity hafatra - ho an’ny silamo mba misaina; Mianara daholo dia miasà - ary mahaiza miara-miaina; Tsy misy afa-tsy izany - no hampiroborobo fatratra; Ny finoan-tsika eto Dago - ka isika ho fitaratra. 13.Ny ady tanin’ireo arabo - efa anjara ratsy ho azy; Ny adintsika Malagasy - dia ny tsy hizakana sazy. Kobay mivadika hifototra - amintsika ny hetraketraka. Tena tanjaka ho antsika -ny fahaizana mipetraka. Zoky Habib, 12_09_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hay-hadinoina
TSY HAY HADINOINA
Fredy Jaofera
TSY HAY HADINOINA Tsy hay hadinoina ny teny nandratra, na dia notsaboina mbola tsy hihatra. Tsy hay hadinoina ny fanambaniana, na dia novonoina hamoha faniriana. Tsy hay hadinoina 'rony fandroahana toa nokolokoloina tena haka bahana. Tsy hay hadinoina ny fosa isan'andro, 'reo lala-nolotoina ka gina antoandro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dia-tsarovy-izao
DIA TSAROVY IZAO…
RRAG
DIA TSAROVY IZAO… Raha zaza nilalao, tsy nanam-pahadisoana, no nomelohinao, dia tsarovy izao: “Fa ny lanitra ao ambony, misy an’Andriamanitra, no nozoninao, hianjera eto an-tany. Satrinao mantsy, ny fon’ireo mahantra, dia isan’andro hijaly, fonosin’ny tomany!” Raha zaza menavava, tsy nahalala akory, fa ny tabataba, dia nanaitra tory, no ‘ndeha sazianao, dia tsarovy izao: “Fa nanameloka ianao, an’ilay Nahary, nanao ny vatanao, ho jary toy izao. Saingy ny tsy fantatrao, dia mety tsy hanjary, toy ny lasanao, izay ho fiainanao!” Raha tanora tia, nitsirim-pitiavana, naniry hiara-dia, nikaro-piadanana, no nosakananao, dia tsarovy izao: “Fa ny fitiavanao, dia hofoanan’itsy lanitra, k’izay mombanao, dia hotsinjarainy. Ary ny hanananao, omeny ireo mahantra, satria ianao, fakofako tsy ilainy!”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mpanjaka-no-teraka
MPANJAKA NO TERAKA
Fredy Jaofera
MPANJAKA NO TERAKA Mpanjaka no teraka, ry mponina an-tany, ka saotra tanteraka no alefa eto ihany. Mpanjaka no teraka ka andao hankalaza ; aoka tsy ho reraka fa Tompo ny zaza. Mpanjaka no teraka ka voavonjy, zareo, ny andro dia heraka anjely teo no ho eo. Mpanjaka no teraka ka asandrato ny hira tsy mahay miveraka, na ny any an-dakira.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/henatra
HENATRA…
RRAG
HENATRA… Henatra amin’ny fo, ny hanambara izay aminy, tahony ihany koa, ny hizaka ny tomaniny. Saingy toa tsy maintsy, ary tsy ahafaha-miteny, nefa ihany koa tsisy teritery, ireny rehetra ireny. Henatra amin’ny tia, ny hizaka amin’ny tiany, ny tahirim-pitia, nilaozan’ny fahiny. Saingy tsisy tsiny, raha sitraky ny fo, ny hitsiaro ny fahiny, satria hitondra soa. Rovi-boro-damba, tsy tsara atao fitafy, ho an’ny olon-tiana, ny henatry ny tena. Ka izay indrindra, no tsy maintsy hampihafy, hanakombonam-bava, satria fahendrena, ny mihazona ny ràtra, novolen’ny tena, na dia fery aza, tanaty fahalemena!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-teo-foana
RAHA TEO FOANA
Fredy Jaofera
RAHA TEO FOANA Raha teo foana ianao nitondra ahy torimaso, ritra mora fa tsy tsaho 'reo hita ho ranomaso. Raha teo foana ianao nitondra lamin-tsaina, niroborobo tao ho ao 'reo toky nantenaina. Raha teo foana ianao nitondra fahasoavana, azo inoana fa nandao 'reo tebiteby goavana. Raha teo foana ianao nitondra fanohanana, 'zay rehetra ka natao, nitory ahy fiadanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/eo-imasonao
EO IMASONAO
ILIMIM JIVISDI
Eo imasonao mibanjina ny tavako No misy tsela-baratra manaitra ny fitiavako Eo imasonao no sisa manambara Ireo herim-pitosiako, safidy sy anjara Eo imasonao no tazako miposaka Ilay andon' ny marainako saikatra itosaka Eo imasonao no hany ivantanako Hiventso ora iray ho diavolam-penimanako Dia ny molotrao no hanampy izay tsy ampy Ny saina sy ny fo no aoka hifanampy Hibitsika eo isofiko ambabo ny fanahy hoe : "Ianao iray manontolo, no manaiky ho ahy" Dia raha azoko atao , iry volana takariko Raha mahasoa anao, dia tena angalariko Angamba tsy ho tsiniko raha toa mitalaho Fa tsindrona mandratra ny EO IMASONAO.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mbola-misy-any
MBOLA MISY ANY…
RRAG
MBOLA MISY ANY… Raha sakana fitia, no mety tazanao, betsaka hono mantsy, ireo be fanahiana, efa tonga vao nanenina, tamin’ny tsy natao, arosoy ny dia, fa aza raharahaina! Raha rojo izay mamatotra, ny fo tsy hitia intsony, fa hankahala olona, amin’ny tsy natao, no injay lazainao, fa fo efa nitony, dia adala angamba ianao! Raha fasan-tsy hilevenana, no ‘ndeha hitomaniana, handanian-dranomaso, isan’andro vaky izao, dia mitapy ianao, fa ‘zay milaza anao tsy tiana, no hanamalohanao, ity maraim-baovao! Ireny zavatra mandalo, tsy famikitra akory, isan’andro izao, no mahatonga anao tsy hatory, dia raha tadiavina ny anao, zakao fa sitrakao! Nefa kosa e! Ataovy an-tsainao ao, fa misy any fo, tena tia anao, mandreto-mitomany, toa anao izao, satria, nisy fo nandao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-dia-tsy-ho-izao
NA DIA TSY HO IZAO…
RRAG
NA DIA TSY HO IZAO… Niondrika aho nijery, ny tany nihovitrovitra. Navelany irery, hisedra ady mafy! Nitraka aho nitazana, ny vatako nangovitra. Nahita fo naràtra, namery hatrany anaty! Nosavaiko moramora, ny paosi-pataloako. Nalaiko ilay mosoara, famafa ranomaso! Nanatona aho avy eo, nanolotra ny tanako. Mangina hoy aho, ‘ty! Fafao ny ranomaso! Noraisinao ilay mosoara, nofihiniko tan-tanako. Nofihininao mafy, tamin’ny tananao! Nanadina ahy ianao hoe: “Iza moa no anarako?” Hay moa anefa, toa efa fantatrao! Nangina ianao, tsy nitomany intsony ! Nangina ianao, ny fonao toa tony ! Tsy nandatsaka akory, ventin-dranomaso, satria tsinapanao, fa miahy manatsatso, ny tsiron’ny fitia, miafina ao am-poko, ny tomaninao, ry ilay tsy foiko! Na dia vao hitako aza ianao, dia tiako avy hatrany! Na dia mbola tsy nambarako, dia tsapanao izany! Ka niondrika aho, tsy sahy nijery anao. Saingy ny feonao milanto, narahanao talaho, no indray nampitraka, ahy tsy hitanondrika! Aza manahy ianao, fa mbola ho tafasondrotra, hiala anaty lavaka, fitobim-pitiavanao! Tsy maintsy izany, na dia tsy ho izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/nisy-fahatsiarovana
NISY FAHATSIAROVANA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
NISY FAHATSIAROVANA Nisy toerana mangina nolalovanao tsinahy saingy tsy azonao an-tsaina ny tantara noraketiny nisy toera-manirery nolalovanao mangina nahatsiarovanao ny lasa ka tosin'olon-kafa no sisa mampiaina ny tontolony ka mitamberina aminao ny hasambarana mamy tamin'ilay ambohimanina nisy diary nirakitra ny lasa tavela tany ho any, voarakitra ao daholo ireo dina ny fitia saingy ao anatiny ao! misy pejy iray mimaona tsy nahitana soratra kanefa nisy sary tsy haiko vinaniana izay mba tiany ambara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/bango-tokana
BANGO TOKANA…
RRAG
BANGO TOKANA… Taiza tamin’ireny, teninao ireny, no hoe tanterakao? Firy tamin’ireny tokinao ireny, no mba notananao? Vola firifiry, tamin’ny azonao, no nenti-nanasoa? Hatraiza tamin’ny ezaka, izay vitanao, no tena voka-po? Mangetaheta mafy ny fahavononanao, ny firenena mamy! Mitaky fahazotoana avy any am-ponao, ‘reo Gasy mitomany. Mangata-balin-teny, tsy misy laingalainga, ihany koa ny tany. Manery anao hiroso, hamadika ireo bainga, ka hanafaka ny jaly. Ataovy bango tokana, tsy asiana fononteny, ny fahavononanao. Asio topimaso, kely mba mijery, ireto vahoakanao! Satria ianao izao, no mpitondranay, ka mijoroa hatrany! Aiza ve dia hoe: “Hahantra mandrakizay”? Nefa anie jereo ny harenan’ity tany! Raha azonao terena hamerina ny laniny, ireo nangala-pihinana. Dia avy dia tereo! Faizo avy hatrany! Hampinano izay tsy fihinana! Gadrao dia eo asaivo, mandoa izay nohaniny, hatramin’ny taranany. Alaivo avokoa, ny rehetra eo an-tanany, hatramin’ny fananany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ry.ho.tsy/teboka
TEBOKA
RY.HO.TSY
TEBOKA Raha mafy fijadonana ilay teboka mpametra. Ka namaran'amboletra ny kinasa nantenaina. Hatrany ataovy an-tsaina, fa ialahy anie ilaina ho olona miaina hahatanty lazon'ady e! Fa tsy akory ho be taraina. Fadio ny mitanondrika eo an-tany nahalavoana. Fa hatrany mitrakà, ka ataovy tsara vona ny tendrom-pihafaran'ilay tady nampilady. Koa mivonon'ialahy hiady sy hibanjina sahady F'ilay hoavy hofitady a! Fahombiazana hiraraka. Ka ho fandresena indray NY TEBOKA MANARAKA (KIANJA ANDRALANITRA)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/efa-sambatra
EFA SAMBATRA
Timoty Josto
"EFA SAMBATRA" Tadidinao ve ilay oram-batravatra,nirotsaka omaly Izaho tamin'iny nanararaotra nitomany Ranomaso farany nanadinoako anao Ka nanakohako eran'izao tonto izao Ka ny mombanao rehetra Ny salovan-tavanao Nohadinoko tsy nisy fetra Eny,hatraminy ny anaranao Toa tsy tsaroako intsony ilay nilaozanao Toa zary nofy ihany fa efa sambatra aho izao Sambatra tokoa fa nahita solonao Mendrika sy lafatra fa tsy toanao Tia ahy ary tiko izy,fa raha ny mombanao Toa nofy taminy fiainako f'efa sambatra aho 'zao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kendam-bomanga
KENDAM-BOMANGA…
RRAG
KENDAM-BOMANGA… Moa ‘zao ianareo ka nahalala anay, ilay nitafo lanitra tan’oran’andro? Naloto sy nisolitaka ny tenanay, ary tsy nahita izay anjara masoandro! Sendra vomanga teny an-jaoridira, dia avy nandrapaka tsy nihafahafa. Loza ity izy fa toa nasirasira, tsiro toa tena tsy mba nahazatra. Nanesika ihany tsy nahalala ho voky! Nihinana ihany fa nanahy ny tsy hahita! Io aloha izao no tena azo toky, fa hanina misy ary mety hahavita! Kenda ny tena dia nitady rano! Nefa aiza ny hahita fa ireny aza vidina? Tsy ho loza izany fa hidirana angano, hisotro ny maloto hatrety an-jaoridira!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/omeg-ratojo/ankohonana
ANKOHONANA
Omegà Ratojo
ANKOHONANA Misy ankizy mikorana Ao anaty takariva Mankamamy fahazazana Misy Neny tsy miato Manasoa ny ankohonany Sy manakona sakafo Misy Dada mamomamo Adalain'ireo ankizy Ka dia mitantara angano Misy fo sara-tiana Saingy tsy hitan'iza sy iza Ka manoratra mangina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ry.ho.tsy/raha-azonao-atao
RAHA AZONAO ATAO
RY.HO.TSY
~"RAHA AZONAO ATAO"~ Aza atohokao ny molotro ny afero TSY MITAPOKA ... fa mba tapohy: indrafo ... mba larohy: fihantrana F' ity nofoko efa ho lo Ary efa drodroka sy hana e! De Aza ataonao maro loatra ireo sedra sy ny KAPOKA ... fa mba tonio: vetivety ... mba tafio: safosafo De mba hitaro elaela raha toa ka mba mety Ny famonoanao ny afo De aza atosikao intsony aho e! fa efa sasatra MIAKAPOKA ... fa mba tantano: hahay hamindra ... mba fahano: tsy ho noana De mba tolory izay tsara sy mirindra Indrindra, mba ampio ho afa-tsaona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lalana
LALANA…
RRAG
LALANA… Raha tsaroanao, iny lalana iny, ‘lay lalan-dranomaso, namoizako anao. Mbola iny lalana iny, nefa ankehitriny, no mitondra ity ankaso, hanatonako anao. Izy iny no nisafo, nampihanta anao toy izao. Izy iny koa no afo, nandoro ny ahy sy anao. Iny lalana iny, no mbola miezaka mandrafitra. Iny lalana iny, no mikiry indray mandrakotra, ilay lasa norobainy, teo anoloan’ny safidy. Iny lalana iny, ilay mifidifidy, manavakava-bolon-koditra, manavakavaka saranga. Iny lalana iny, ilay lala-nahajamba. Asa raha tadidinao, ny teninao foiny ny nandao, teo amin’iny lalana iny. Asa raha ho zakanao, ny tody azerany amin’izao. Io ‘lay tsinin’ny fahiny. ‘Lay valin’ny natao, izay tsy maintsy honerana, mialoha-pahafatesana, mialoha-pahanterana. Saingy indrisy tsy nianjera, tamin’iny lalana iny, ny vidin-dranomasoko, nazeram-po tsy manan-tsiny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izaho-ve
IZAHO VE…?
RRAG
IZAHO VE…? I Fitiavana no reniko, i Fankahalana ho’aho no raiko. Ny ràtram-poko no nafeniko, dia noho ianao ‘lay sombin’ny aiko! I Fahoriana no injay kidoro, natao handrian’ity foko! Miahotra mafy ‘ty foko toro, ilay namoy ity tolokoko! Izaho ve? Ilay tia fa tsy afa-miaina, noteren’ny saiko handeha, handao ilavitra taraina, sy ny fiainan-drehareha!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anio-sisa
ANIO SISA.
RRAG
ANIO SISA. Anio sisa dia ho afaka, ny hirifirin-taona maro! Anio sisa dia ho afaka, ny fonao ny mba nikalo! Ka hamonjy taona vao, hitady izay tara-masoandro. Ny alina no andrasana, dia hivalon’ireo andro! Anio sisa, no hanitsahanao ‘ty taona. Ity taonam-pahoriana, tsy mba nijery anao akory. Anio dia mety hangina, mety hangina ireo saona! Nefa enga anie ‘ty taona vao, tsy hahatonga fonao ory! Anio ireny dia hivalona, toy ny lasanao nisetra. Izay natao an-dava-dalina, mba tsy ho hitan’ny rehetra! Anio ireny zary nofy, tsy hampihetsi-bolomaso. Anio angamba no hifarana, sy hisy fetrany ny ankaso! Hitsambikinana ny taona, hisidinana ny lanitra. Hovangiana ireo misaona, namoy fo iray tsy lavitra! Hotsaboina ny tia, manana holatra amin’ny tena. Fa ity taona ity, no taonan’ny adim-pandresena! Dia haravona ny lasa, tsy hampanginina ny moana. Hofaritana ny kasa, tsy hiandrasana fotoana. Fa anio avela hijery, ireo jamba tsy nahita! Aleo ireny mba hiteny, ka hitsara izay vita. Ary ny marenin-tsofina, avelao hihaino tafa. Handinihan’ireo toky, efa vita tamin’ny lasa! Anio ny tombana no atao, hamalonana ‘ty volana. Anio ny sivana hovitaina, handravonana ny olana! Izay navelan’ity taona, sy ny taona nialoha. Anio angamba sisa ireny, no hitoetra ao am-po! Ka ny hany azo atao, mirary raha mirary, taona iray vaovao, tsy hisy fo harary! Tsy hisy fo hisaona, hitomany noho ny lasa! Tsy hisy fo intsony, hizoga fery efa nahazatra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hisy
TSY HISY…
RRAG
TSY HISY… Tsy nisy fo iray, sahy nandao olon-tiana, noho ny sakantsakan’ny hafa. Tsy nisy fo iray, sahy nandrava faniriana, satria voafatotry ny lasa. Tsy nisy na iray, sahy naneho ankalalahana, ny fitiavana ao am-pony. Tsy nisy fo iray, sahy niady fahafahana, fa ny lasa ny azy hoe hafoiny. Sahiny nodorany anoloana, fo iray ‘zay mbola tia, na dia mety handràtra ny hafa, ‘zay mitahiry ilay fitia. Toa rotehiny anoloana, afom-po mivaivay, tsy hiandrasany fotoana, ny handringana azy ho may. Tsy nisy fo nahatsapa, fa marary amin’ny tsy tiana, ny latsalatsa eso an-teny, arahana fanaratsiana. Tsy nisy akory fo, sahy niteny, teo anoloam-pijaliana, fa ‘reny rehetra ireny, no ràtram-po tsy nofidiana. Saingy tonga ho azy teny, toa voalahatra nialoha, indrisy anefa, fa zoga holanjain’ny fo! Moa ve nefa any ho any, misy fom-behivavy tia, sahy hilaza amin’ny tiany, sahy hanolotra fitia, sahy hizaka izay vokatra, sy ‘zay esoeson’ny hafa, sahy hamindra na dia drodroka, mivesatra irony latsa? Tsy hisy kosa angamba anefa, fo hanozona ny tiany! Tsy hisy koa izany hoe, fo iray sahy hiantso tsiny, ho hazera amin’ny anjara, ilay voafaritry ny lahatra! Saingy ity no tsarovy, fa tsy hisy fo ho tonga lafatra. Tsy hisy izany na ho anjely, no hotiavina miafina. Ekeko hoe izy ireny, mba isan’ny manan-kasina! Saingy tsy haiko, fa tsy hatokisako mihitsy. N’iza n’iza handà izany, dia amiko io tena tsy hisy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vodilanitra
VODILANITRA…
RRAG
VODILANITRA… Ny vodilanitra madiva, filetehan’ny masoandro, no tsiaron’ny fahiny, fony ianao nanorok’azy! Ny fisarahana tsy satry, raha vao misarak’andro, no tamberin’iny lasa, kay ny andro hariva sahady! Iny vodilanitra iny, no diarim-pahatsiarovana. Ilay nodorana tsy may, nalevina tsy lo! Iny irery ihany, no mba nanam-po nangoraka. Hany nampitony, nampaherihery fo! Iny no taratasy, fanoratany ny hafatra. Fakitera tena namany, tsy mba nitelintelin-kafatra! Afaka nitondra hatrany, izay tiany hampitaina. Iny vodilanitra iny, no tinazany maraina! Sahy milanja ny alahelo, vesatra sy adin-tsaina. Irakiraky ny fo, dia ‘lay fo ‘zay mitaraina. Manantena fihaonana, manantena hahita anao. Iny vodilanitra iny, sahy mizaka ny talaho! Izy iny indrindra, ilay naman-tsy mahafoy. Tsy mbola nanadino, sady manam-pandeferana. Izy iny indrindra, ‘lay noterena hoe: “Soloy”. Fa tsy nitsahatra niady, tamim-paharetana! Iny fara-vodilanitra iny, no mpitàna ny alahelony. Izy iny irery ihany, no namany, fony izy zaza. Ilay naman-tena teliny, tsy mba manao tokim-bava!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hiteny
TSY HITENY…
RRAG
TSY HITENY… Raha hangina tsy hiteny, toy irony raozin’ny ala. Mahita tsy mijery, fitepom-po adala. Dia atao hoe maneso, manaraby ny fitiavany. Nanantena saingy hatreto, hatreo ihany no mba sahiny! Raha hijery fa tsy hahita, nefa tsy jamba maso akory. Dia ho mety hanapitr’isa ireo fery mampaory. Saingy tsy hiteny na matazana, ny vavan’ny fanantenana. Toa mandà ady mazana, mba hahitana hazavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/saronan-tava-fotsiny
SARONAN-TAVA FOTSINY…
RRAG
SARONAN-TAVA FOTSINY… Naka anao ho namana, dia avy nitsikafona ireo lasanao. Nanambitamby ho havana, dia nanasoketa ny tsara vitanao. Nanenjika mafy ery, tsy nitambo fahasasarana. Nilaza ny ho tena tia, hay moa ka namana, tsy afa-nifaharana! Saronan-tava fotsiny, irony fahatsorana nenti-namaboana! Fa hay ‘ty rotsirotsiny, ka fintana ihany nenti-nanjonoana. Moa tsy ianao no daika, vendrana sy dondrona? Izay toky, teny iraika, dia hitokisan’olona! Saingy tsy nisy soratra, voarakitra tan-kandriny. Tsy nisy nahafantatra, izay tena tanjony! Saronan-tava avy, irony ilay tinazana, anivom-bavahady, ka hatreny am-baravarana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teraka
TERAKA!
RRAG
TERAKA! Maro ny hogahoga, re avy eny antsaha, fa teraka ny Tompo, ilay hamonjy antsika. Nefa mbola maro, ireo fo no toa manahy, ny hidera azy, fa mbola mangatsiaka. Maro ny hazavana, mandrakotra tanàna, fa tokana sy iray, no tena fanjakana, dia ‘lay zazakely, nateraka hamonjy. Io ‘lay zazakely, dia i Kristy Mpamonjy! ‘Njay ny feon’anjely, miantso fideràna, taitra avokoa, ny iray tanàna. Fa teraka ny Tompo, dia ilay mpanavotra! Indreny irony Majy, manara-kintan-danitra. Sorena ny mpanjaka, nahare ny hikan’Andriamanitra, ka dia sahy nanompa mihitsy, nanozona ny lanitra. Nanira-miaramila, hamono ireo ankizy. Maro ireo maty, fa tsy an’isany aloha izy! Notairin’ny anjely, ilay Rain’ny fo: “Mifohaza! Mifohaza! Ento izato zaza, fa misy mikiry hamono, aza miandry intsony koa, fa faingana! Faingana, fa ny dia ‘zao mbola ho lava”. Teraka ny Tompo, ilay mpamonjy antsika, teraka izy, eny teraka ho antsika. Na dia tao an-tranon’omby, no toera-nahaterahany, dia mpanjaka izy anefa, satria izay ‘lay fandaharany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-tatamo-ianao
RAHA TATAMO IANAO…
RRAG
RAHA TATAMO IANAO… Mafy loatra ny sedram-piainana, lalovan’i Tatamo. Ny azy vahona no iainana, hetaheta ambony rano. Maro loatra ny ranomaso, izay narotsak’i Tatamo. Isan’andro isan’andro, tsy maintsy miaina izay ho angano. Mitsingevana ny fiainany, ranomaso lava no iainany. Ny tafiotra mamingana, ny onja ny azy mampianjera. Isan’andro izay no fiainany, ary mbola tsy maintsy iainany. Tsy misy faka hifihinana, fa ny azy ny andro miandry lera. Ny Tatamo lavitra afo, saingy may toa lavenona. Ny fony ny azy miankaso, ny maso ety efa badenina. Ny fonja ny azy tsy mirindrina, toa fahafahana no hita. Ary maro no mahita, fa ny fiainany hoe dia paradisa! Nefa indrisy! Rojo vy mamatotr’aina, no mamatotra, mihazona ny tenany. Afo-be miredareda, tena mamay, no hany lapa fiambenany. Raha Tatamo ianao, dia tsarovy an-tsainao ao. Fa ‘zay sedra entinao, ka hanarianao ny an-tanana, dia honeram-po vaovao, satria ianao Tatamo namana. Mila tosika sy tantana, mila olon-tena namana, hanova fiainana, ka hinday ny fiadanana. Raha Tatamo ianao, dia aza kivy amin’ny tolona, fa maro koa ireo olona, izay Tatamo toa anao, ka tafita amin’izao. Mahereza anefa aloha, matokisa tena koa, fa ‘zay ady vitanao, dia fandresena entim-po. Raha Tatamo ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/lasa-hono-kiala
LASA HONO KIALA
Timoty Josto
LASA HONO KIALA Lasa hono kiala Lasa nanambady Ilay mba zazavavy Notiaviko mangiana Nofisiko isan'andro Indrindra ny alina mangina Lasa tsy niteny Tsy nampilaza akory Taty aoriana henoko Fa nanambady hony Ka ory izany foko Ny ahy koa sitra-poko Tsy niteny aho hatr'izay Izao izy toa "bye bye" Lasan'olona izy 'zay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ry.ho.tsy/ngaoma
NGAOMA
RY.HO.TSY
~"NGAOMA"~ Tsy mpiandriaka manara-morona Na mpijirika manin-day Fa harivariva an-tanin'olona e! Ny vitsika momba kitay ....ka MAHATSIARO NY TANY NIAVIANA (CU ankatso1)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mariazin-dranomaso
MARIAZIN-DRANOMASO…
RRAG
MARIAZIN-DRANOMASO… Nihovitra ny tany, tresaka ny lanitra! Nanjaka ny tomany, fa resy ny mahantra! Nilatsaka ny varatra, nianjera teo an-doha! Maloka ny taratra, marary indray ny fo! Sabotsy feno ràtram-po, nandrava vinavina! Andro tsy nitondra soa, namoizana ny tiana! Teo anoloan’alitara, ilay fahavalon’ny fitiavany, no nafoiny ny tiany, ilay hany fahasambarany. Izay tokana an-tany, tsy misy hafa mahasolo! Teo no faran’ny hasambarany, teo koa ny fony no toro. Potipoti-dranomaso, noho ny vesatry ny fandaozana. Nokikisan’ny ankaso, teny an-tany fanavaozana. Dia teny ambonin’ny alitara, no nianjera ity vintana! Ninia nandrava ny anjara, ilay voafaritry ny kintana. Izy ilay nanonom-boady, hoe mandrakizay doria! Teo no nalavon’ady, nanaraka ilay fitia! Nakarapony tamin’ny tany, tsy nasian’ny fofon’aina! Novesarany sahady, tolon’ady vao maraina! Mariazin-dranomaso, fahafatesana nametra! Vao niandoha, dia niafara, toa mafy loatra, raha ny fetra! Fa mahery noho ny anjara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/babangala
BABANGALA…
RRAG
BABANGALA… Ny akaninay taloha, haolo sy efa drodroka, poti-baravarana, sy roti-kalalao. Ny rindrin’efatray, nihintsana fa boboka, ny efi-mangatsiakany, injay fa mitalaho! Ny tranonay fahiny, sisasisan-drivotra, tsy ravan’ny tafiotra, fa ‘njay mijoro ihany! Io babangoana io, ny varavara-miditra, ‘lay nakaratokay, raha sendra nitomany. Eh! Babangala sisa, ity akaninay, mangina toa misaona, misento aoka izany! Fonenana noheverina, ho mandrakizay, saingy indrisy anefa, fa nofy ihany izany! Babangala sady foana, lasa akanin’ahi-maitso. Rotidrotik’alahelo, saingy io mijoro eto! Tao no nisy hafaliana, nisy sento nampivetso! F’indrisy anio no farany, hitsinjovako azy an-tsento. Dikan-teny: Babangala = Trano foana tsisy mpipetraka ary efa afaka daholo ny varavarambe sy ny varavarankely rehetra tao anatiny (Na babangoala).
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/mpirahavavy-isika
MPIRAHAVAVY ISIKA
Lova miar'shu
MPIRAHAVAVY ISIKA Tsy hafa akory isika Fa mpirahavavy foana Ny ra mitovy dika Ka hifandrafy ahoana? Novonoinao tanaty ny diary Ny soratry ny tantarako Nosintoninao ambadiky ny sary Ny rangotry ny anarako Izaho ihany noho ianao Fa mpirahavavy isika Na hatrany hifandao Mbola ary hifankahita Ny amiko tsy azonao fafana Ny aminao indray tsy tiako ho alana Fa mpirahavavy isika na dia mpifankahala Fa mpirahavavy ka samy tia miadaladala
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nilaozanao-14197
NILAOZANAO…
RRAG
NILAOZANAO… Na dia nangina, mody tsy niteny aza ianao, dia fantatry ny tiana, fa nanomboka efa lao. Leo ny adin-tsaina, nanototra ny tena, dia lasana ianao, nandeha namono tena. Ny ranomasonao anefa, dia mbola ity tavela, mihazona mafy, ‘lay olon-tianao. Io ihany mantsy, ilay fatoran-tady, efa hatramin’ny ela, nampifandray hatrany, azy taminao! Na dia tomany, no nasesikao, ny alahelom-pony, satria ny anatinao, aza tsy nety tony. Dia naleonao, nandao ny fiainan-tany, nefa tsy tan-tsainao, ilay fony nitomany. Fa nilaozanao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hay-soratana
TSY HAY SORATANA
Fredy Jaofera
TSY HAY SORATANA Tsy hay soratana ny ratran'ny lasa namely ny vatana sy mbola nikasa. Tsy hay soratana ny sedra nahazo zava-namantana, nitondra ny tazo. Tsy hay soratana ny rava tsy fidiny natao hamiratana fa tojo ny ngidiny. Tsy hay soratana ny ady natrehina tsy nisandratana fa zary nopehina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-hafatro
Ny Hafatro
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ianao ry volana iny no irery mampiray,ny any sy ny aty Raha sitrakao indrindra Meteza ianao hitsidika, 'lay sakaizako any Fa manina azy aho, ka ianao no hafarako, raha sitrakao indrindra Mandehana ianao izao anio izao hankany aminy any Rehefa tonga ianao,dondony moramora ny varavara-tranony D'izao hambara aminy raha toa ianao ka raisiny "Hariva hono hoe ny fotoana fanembonan'ilay sakaizanao Raha iny izaho nandalo, dia niangaviany indrindra Hitatitra aminao ny vetsovetso-keliny sy ny hafatry ny teniny. Matsiaro anao hono izy,latsadranomaso fa malahelo indrindra Izay no ambetiteniny,ka naverimberiny Sao hadinoko hono Raha ny fahitako, toa feno anao ny fony Indrindra moa ny fihetsiny niangavy indrindra tamiko, tena nitalaho Toa tiany angamba ianao Ny hany farateniny,veloma hono ianao ka aza manadino Izay no tena hafany fa ianao raha hino" Voalazanao izany dia mba tompazo maso lay endriny efa lafatra Ity no saika hadinoko Rehefa avy any ianao de mandalova kely fa andrasako eto Mba hi
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/neny-tiako
NENY! TIAKO…
RRAG
NENY! TIAKO… Ry Neny! Feno loatra re ry Neny, ny fitiavanao ahy. Ka izay! No nahatonga ahy hiteny, hoe: “Raha eo ianao dia sambatra aho”. Ry Neny! Tsy hiahotra aho ny hilaza, ka hanakombona ny vava. Tsy haneho aminao, hoe: “Tiako loatra raha ianao”. Ry Neny! Tanisaiko eto anio, manoloana ny lanitra. Fa ny ato am-po dia madio, na dia kamboty sy mahantra. Dia tsy manadino anao, tsy mahafafa ilay anarana. Tsy vita izany hatramin’izao, izay angaha ny fandaharana! Ry Neny! Tiako averimberina eto! Tiako atao anaty vetso! Raha azo atao asiako sento, ny hilaza aminao! Hoe: “Tiako ianao”! Eny, tena tiako raha ianao…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-tadidinao
RAHA TADIDINAO…
RRAG
RAHA TADIDINAO… Raha tadidinao, irony lasantsika, nitahiry tsiaro, kanefa nofafana. Dia hotsaroanao, ny ali-mangatsiaka, nisy tsiahy maro, nitondra hafanana. Raha tadidinao, ny oroka nataoko, teny amin’ny molotrao, iny alina iny. Narahako ‘reo safo, teny an-tavanao, dia hotadidinao, ny hatsaran’ilay fahiny. Ny hamevan’ny anjara, natolotry ny lanitra! Ny hakanton’ny tantara, noraketinao! Dia hiaiky ianao, fa misy ny Andriamanitra, nampatsiahy ireo, izay tsy tadidinao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/mahay-teny-ekena-teny
MAHAY TENY EKENA TENY
AbouNusrayni
Miala tsiny miala fondro miala salohy fito fa masiatsiaka izy ity eee! MAHAY TENY EKENA TENY 1.Isika avy any an-tsisintany, 'ndao mba asiana teny vitsy. Toa mahonen' izany, Tsy mety tonga saina m'hitsy 2.Be hambompo fahatany; Tsy dia tia miasa saina. Ny valy bontana hatrany, No mba entina miaina. 3.'reo olon-kamo tany aloha; tsy dia tia ny mianatra; No manasa atidoha; Hoe ny borizano miangatra. 4.Ny asa tsara rehetra rehetra; Ny fitondrana firenena; Ataon' ireo amboletra; F'isika tsy mba tiany omena. 5.De mivonto vatan'orona; Hoe 'z'hay koa mba mahay ; Ka tsy hampiasa tenin'olona' Hijanona amin'ny teninay. 6.Lasa sarotra atoro, Tsy mila teny ofisialy. Tenin'ambaniandro hono, Ka tena tsy mba mahafaly. 7.Kanefa ny eo am'fitondrana, Efa feno an-dry zareo; Ireo taratasim-panjakana, Efa amin'io rehateo. 8.De variana mitsikera, Sy mioereoera fihetsika; Tsy mba miezaka hanjera, Ny tsy fahaizantsika ketrika. 9.Toa izany ihany koa, Ny amin'n'ny teny farantsay; Ry zareo niezaka mialoha, Ka dia voafehiny milay. 10.Kianintsika hoe tsy ilaina, Fa fitenin'ny mpanjanaka; Isika kamo sy malaina, Dia arahin'ny taranaka. 11.Ahoana moa no mba hivoatra, Tsy teny gasy tsy vazaha; Ny habadoana tafahoatra, Dia eny alavitra mizaha. 12.Ireo mandroso hatrany hatrany, Satria voafehiny ny teny. Ny hatarantsika sesilany, N’manome vahana azy ireny. 13.Ka tongava saina amin'izay, Ianaro ny teny ofisialy; Ianaro koa ny farantsay; Dia ho afaka ny jaly. 12_03-19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/naolanao
NAOLANAO…!
RRAG
NAOLANAO…! Noriatinao ny akanjony, natosikao izy iny, hianjera am-parafara, ‘zay farafaram-badiny. Nataonao daholo, ny fomba tsy fanao, amin’ny mahaolona, k’izay! Ny mahabiby anao! Naolanao ny tenany, noràtrainao ny vatany voakolo. Nopotehinao ny hasin’ny fiainany, sy ny ainy manontolo. Nokasihanao ny mahaolona azy, dia nohitsahinao. Izany ve tsy midika hoe, tena biby ianao? Notefahinao ny takolany, ‘zay kotsan-dranomaso. Feno dian-drangotra ny tavany, teo anoloan’ny ankaso. Izay nentinao, namingana ny lalany, ka notafiany ny henatra. Nefa ianao, ianao no biby, tsy mahalala menatra! Noriatinao ny akanjony, ilay hany teny an-kodiny, nanarona ny vatany, ambony sy ambany! Noterenao ny tenany, hanao ny tsy fanao, miaraka aminao! K’izay no porofo, fa tena biby ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toi
“TOI”!
RRAG
“TOI”! Mba mahagaga ihany, ny fo rehefa tia, fa miova ny fahazarana, nentin’ny fahiny. Tsy “miracle” io, na “magie” koa sanatria, fa toy izany mihitsy, rehefa sendra ny olon-tiany. Very ilay izaho, manjaka irery am-po, tafiditra ianao, ilay tsy teo taloha! Niala ny “moi”, dia niditra ny “toi”. Tsy avy aiza ireo fa, avy amin’ilay “choix”! Safidiko ianao, “tu es mon choix”. Toa fitiavan-tena, ‘lay “tu es à moi”! Fa ny tena tia, dia ‘lay manana “Foi”. Ka mahandry hatrany, ilay “à la prochaine fois”!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mifona-aho-aoka
MIFONA AHO, AOKA…
RRAG
MIFONA AHO, AOKA… Injay! Injay fa toa niverina, ilay safosafonao, nikasika ny vatako. Ilay orokorokao, no reko mitamberina, mihazona ny molotro, hamerina ny lasako. Nofihininao ny tanako, nofihininao mafy! Nosafoinao ny tratrako, avy ianao dia niantsampy, nanoroka ny molotro, nitady tsy hiala! Saingy, tonga ny vadinao, ‘lay fiantsonao malala, nahatratra ny hadalana, ilay nataontsika. Mifona aho, aleo hatreo, aoka samy vita! Ekeko tiako ianao, tena tiako, f’ianao no efa anjarany. Tsy laviko izany hoe ianao, haingon’ny tantarany. Fa menatra ihany aho, handrombaka anao! Mifona aho, aoka samy vita, aleo aho toy izao. Tsy misy taintaina, tsy misy tebiteby! Tsy hanahy ny ho afaka aina, tsy hatahotra ny ho bedy, ny ho tratram-badinao, toy ny efa vita. Aleo mihitsy izaho sy ianao, tsy mifankahita!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anio-aho
ANIO AHO…
RRAG
ANIO AHO… Nandinika aho ny alina, ny hamakiako teny. Hatramin’ny sasak’alina, mbola teny ho eny. Teny am-parafara, nandinika ny ambara. Nihevitra aho omaly, ‘zay toky hoentim-bavako. Nisy tamin’izany, nadikako! Nosoratako! Fa omeko anao, alohan’ny aho handao. Anio aho mantsy, tsy maintsy hanainga ilavitra. Ka na dia tsy ho tanty, ny hifanalavitra. Dia tsy maintsy atao, raha hahasoa anao! Ekeko hoe marary, mila fanafody, ny atin’ny fonao. Ekeko fa hijaly, toy ny hianjeran-tody, raha ilaozako ianao. Nefa koa hinoako, fa hahasoa anao, izany ry tsy foiko! Anio aho hametraka, hafatra aminao, ho dina velirano. Ny fitiavako hipetraka, hitoetra eto aminao, hiambina ny trano. Izay akanintsika, sy ny fitiavantsika! Anio aho hanoritra, lalana vaovao, fa saingy tsy hisy anao. Fa any kosa andro, ny lasa tsy ho voatototra, mbola ho eo ianao. Dia hifandray indray, ny tanantsikaroa! Sady ho mandrakizay, no hiara-dia ny fo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/soa-ny-fiarahantsika-ind
SOA NY FIARAHANTSIKAInd
Hajanirina Mahavaly
SOA NY FIARAHANTSIKA Indro izaho sy ianao tafiara-dia Toy ny olon-droa mpifankatia Tsy omby tratra ny hafaliana Nisinda teo koa ny hakiviana Angamba hoy aho hoe tsy eto an-tany Fa nisidina an'habakabaka any Niaina tao anaty fahasambarana Fotoana fohy ihany dia nifarana Asa ianao raha nihevitra toy izany Hoe fifaliana foana hatrany Tao ny masoandro be nibaliaka Nanambara fa SOA NY FIARAHANTSIKA Soa tokoa izay niarahana rehetra Nefa ny fotoana nanam-petra Satriko ho teo anilanao hatrany Faniriana ihany anefa izany Mino anefa aho fa any andro iray Ho to tokoa ny faniriako Hitoetra anilanao mandrakizay Ianao ilay tovovavy tena tiako Raha tonga izay fotoana izay Ny fontsika hitambatra ho iray Izaho sy ianao hifambabo fo Hifanaiky fa hifankatia tokoa. Ny faniriana ho tanteraka Eo anatrehanAndriamanitra Ka hifanolotra ilay peratra Hiseho amin'ny ambany lanitra