url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/rehefa-tonga-ny-noely | Rehefa tonga ny Noely | Vetso mena | Rehefa tonga ny noely
Izay ankalazaina toa fety
Miomankomana ny vatana
Fa hifarim bona ny mpihavana
Jesoa koa anefa miandry
Izay ahatongavanao any
Hankalaza ny fetiny
Ka handray izay hoentiny
Rehefa tonga ny Noely
Tsy hadino velively
Ny hanao fihinanam-be
An'ireo sakafo be
Jesoa koa anefa ao
Efa nanomana h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/r.a.d.-tsy-mahay-mitaiza | R.A.D. TSY MAHAY MITAIZA | AbouNusrayni | R.A.D. TSY MAHAY MITAIZA
1.Dada Malala sy Neniko izany,
Variana ny saiko ka te hanontany:
Fa maninona hoy aho no tazako hatrany,
Hoe ireo mpifankatia tsy ilaozan-tomany?
2.F’inona tokoa no mahatonga ny fitia?
Fa maninona ny sasany tsy maharitra ho doria?
Mba tiako hianarana fa sao re sanatria,
Tafanaonao foana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joharyj/ho-noely-tokoa | Ho Noely tokoa | JoharyJ | Efa ao am-ponay
Ianao hatrizay
Saingy mila ampatsiahivinao foana aho
Hoe ny fitiavanao
Izay tsy mba mandao
Fa mitoetra ho tena fiadanana
Tsy ho fahatsiarovana fotsiny io
Fa ho tena fiainana mba ho fanitsiana
Aoka isan’andro aho hankalaza Anao
Hanolotra izay tena sarobidy
Indro aho ankehitriny
Hiovà tsy ho to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-mangina | FO MANGINA! | RRAG | FO MANGINA!
Ilavitra anao aty toa mahatsiaro,
‘lay endri-tava mifangaroharo,
an’eritreritro ao!
Ilavitra ny efitra natokanao ho ahy,
mahatonga ahy hihevitra sy hiahiahy,
fa efa dify ianao ka tsy hiverina intsony,
tsy hiraharaha ahy na mba hahatsiaro akory,
ny fisiako aty!
Ilavitra ny akany ‘zay fitoeranao,
hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/soratsoratra | SORATSORATRA... | RRAG | SORATSORATRA...
Nitakoko niandry lera,
namerimberin-tsiaro.
Ny vetsovetso ‘zay tavela,
dia toa fohazin'ny kalo.
Dia noraisina ny penina,
nanoratsoratra ny tena.
Ka nofongarina ireo lalina,
nampitraka nampianjera.
Nirotsaka tsy satry koa,
ny ranomasom-po tavela.
Hontsa loatra izany fo,
ka narafitra ho litera... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sahanny-fo | SAHAN’NY FO… | RRAG | SAHAN’NY FO…
Tsy mba zaridaina, tsy tanimbary an-dohasaha.
Tsy tanimboly karakaina, fa fo mitepo miendri-tsaha.
Tsy novolena voninkazo, na nambolem-bary akory.
Fa fitsirin’ilay fitia, izay mateti-resi-tory!
Sahan’ny fo fa tsy edena, saha miavaka indrindra.
Ny fitia no fandresena, tokana ka tsy azo hafindra.
Saha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitiavana-an-taratasy | FITIAVANA AN-TARATASY…! | RRAG | FITIAVANA AN-TARATASY…!
Noraisiko ny peniko, nanoratra aho ho anao.
Nokajiako ‘reo teniko, hamaboana anao!
Dia zary nofinofiko, ianao ‘lay norohako.
Injay ny rotsirotsiko, manarona ny angotiko!
Novinaniako teny hoe, nanala akanjo ianao,
dia avy nosafoiko, tsy nisy raorao!
Nientanentana aho, nitolon’ity tiako!
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/noely | NOELY | Hajanirina Mahavaly | Tonga indray ny andron'ny Noely
Fotoana sarobidy sy manan-tantara
Fahatsiarovana an'i Jesoa zazakely
Nitondra famonjena ka tsy nisy very anjara
Mifaly avokoa ny olombelona eto an-tany
Fa tonga ilay Mesia nanafaona ny tomany
Izy no Mpamonjy izao tontolo izao
Mendrika hoderaina fa Mpanavotra ahy sy ianao
Asandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misy-fo | MISY… FO… | RRAG | MISY… FO…
Misy fanahiana, mihiboka ao anaty,
zary faniriana, efa toa tsy tanty,
tiako hozaraina, raha toa sitrakao.
Valio ity taraina, raha mba azo atao!
Misy fo mitepo, reko toa mivetso,
ny anaranao, injay fa toa misento,
ao anatiko ao, miangavy mitalaho.
Ny hitopazanao, ‘lay fo tsy mora lao!
Misy ràtra mihit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny-ianao-nahita-iray-vaovao | IRENY IANAO… NAHITA IRAY VAOVAO… | RRAG | IRENY IANAO… NAHITA IRAY VAOVAO…
Ireny ianao solafaka, nitady vonjy tamiko,
tafita anefa anio, tsy nahita izay mba tranoko,
tsy nahatadidy akory, ilay fiantsoana ahy.
Sahy nanadino, tsy nanana ahiahy!
Ireny ianao nitady, ahy nisasak’alina,
narehitro ny jiro, nampandrosoako ianao.
Ankehitriny, modianao ho fanina,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fasako-mifamato-dra | FASAKO MIFAMATO-DRA. | RRAG | FASAKO MIFAMATO-DRA.
Fony fahazazako mihitsy, dia efa fasako ny tany,
tsy nahitako na tampify, fa isan’andro dia tomany.
Fery lava toa mahakivy, hirifirim-po voadona,
ny safidy tsy mba izy, toa toy izany teny foana.
Ny arapaka tadiaviko, eny am-bakan-jaorodira!
Na dia kely aza no hita, dia efa mahavelon-kira.
Na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lalana-malama | LALANA MALAMA… | RRAG | LALANA MALAMA…
Nangina ilay toerana, nitondra ilay fakam-panahy,
ny siokan’ny ala aza re, nampitain’irony vorona.
Nangingina ny tan’ala, nahatonga ahy ho sahy,
ny fihetsikao mihitsy anefa, no nanery ahy ho vonona.
Ka nandeha ny orokoroka, ilay narahan-tsafosafo,
ianao tsy nahay nionona, fa injay! Nitsapa ny ankas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-sy-izaho | IANAO SY IZAHO… | RRAG | IANAO SY IZAHO…
Izaho ‘lay feta tany, rafi-tanimanga!
Ianao ‘lay raozy mavo, zana-boromanga,
ilay tsy mba nitasy, foiny fahazaza.
Fitia mangasihasy, ny ahy dia mora rava!
Ianao toy ‘rony lisy, fanaingo fanjakana!
Izaho toy irony antseva, fanapy voro-damba,
na dia mba nitia, toa olona tsy tiana.
Nofy avokoa, ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/felana-malazo | FELANA MALAZO… | RRAG | FELANA MALAZO…
Fony izaho sy ianao nisaraka, toa nofy tamiko avokoa.
Nolazaiko fa nandainga, sady niangatra ny fo!
Nefa ankehitriny ireny, vao tena tsapako ny vesany.
Noho ‘reo felana nalazo, niandry izay ho fahafatesany!
Satria nilaozan-tondratondraka, toy ny foko mbola tia.
Zary ahitra sy bozaka, tsy hoe hadino... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/topazo-maso | TOPAZO MASO! | RRAG | TOPAZO MASO!
Na tsy tianao aza,
ny mahita ahy,
dia mba topazo maso,
na indray mitazana aza,
fa tiako loatra ianao.
Na dia nanadino ahy,
tiako ianao fa aza manahy!
Topazo maso kely,
ity tava-malahelo.
Ataovy indray mijery,
dia aza avela hihelohelo.
Fa efa rera-mitomany,
leo ny ranomaso-latsany,
dia topazo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sitrako | SITRAKO… | RRAG | SITRAKO…
Ireny nampitaiko, ho ren’ny sofinao,
izay rehetra tato an-tsaiko, hatramin’ny pejy vao.
Ka sitrako tokoa, ny hamboraka fitia,
izay tokana ao am-po, tsy nofefena ‘lay satria! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-ry-aiko | INY RY AIKO…! | RRAG | INY RY AIKO…!
Iny ry aiko tiako, ny tamby avy amin’i Neny,
tsy to ny faniriana, saingy asio jinery,
ny hoavy sy ny sedrany, izay mbola tsy hita akory.
Ny lasa izay nandràtra, aza atao mahory!
Etsy dia mangina, fa aza mitomany,
tohofy fifaliana, ny tsatso entin-tany.
Mahaiza ny misaotra, ireo ninia namingana,
f’... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-mino-aho | TSY MINO AHO! | RRAG | TSY MINO AHO!
Raha izao tontolo izao, ringana sy rotidrotika!
Na ‘lay efi-tranonao, rava sady potipotika.
Dia toa tsy hagaga ahy akory, tsy vaovao amin’ny foko.
Fa ny hany toa tsy tantiko, dia ianao ilay ho hafoiko!
Raha ny lasa vitantsika, no voarafitra diary.
Na koa very sady tsy hita, ireo tsiaro vita sary!
D... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/diarinny-ra | DIARIN’NY RA… | RRAG | DIARIN’NY RA…
Sora-mitoetra, tsy matin-taona maro,
tolom-po manokana, fa tsy mba nafangaro.
Tsiaron’ireo sedra, nandatsahan-drà,
rakitry ny lasa, diarin’ny rà.
Diary tsy mba levona, na foanan’ny anio,
mitahiry zava-maro, tsy voafetran’ny lasa.
Tsy voafafan-dranomaso, na foanam-pandio,
fa voatahirim-po, ilay miz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleo | ALEO… | RRAG | ALEO…
Aleoko tsy eo ianao,
raha mbola hanitatra ny feriko.
Aleo mandeha ianao,
fa toa zary tsianjeriko,
tsy mety maty ao am-poko,
ireo lasa novonoiko.
Dia aleo ianao hafoiko! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-foiko-ny-orokao | TSY FOIKO NY OROKAO… | RRAG | TSY FOIKO NY OROKAO…
Tsy foiko ny orokao, toa tantely tsy niofo!
Tsy foiko ny orokao, eny tsy foiko, hatrany anaty nofy!
Ny orokao ihany mantsy, no hany tokana tsaroako,
Eh! Tsy foiko ny orokao, tsy foiko, tena tsy foiko!
‘Lay molotrao misafo, ny tavako maloto,
ilay tsy nosasako, noho ‘lay orokao tsy foiko.
Iny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-azy-hono-ireny | HO AZY HONO IRENY… | RRAG | HO AZY HONO IRENY…
Ho azy hono ireny, raha mbola ny fasana!
Ho azy hono ireny, raha ferin’ny lasana!
Saingy tsy ho azy, raha zogan’ny hafa!
Fa lanjainy ho azy, raha todin’ny lasa!
Ho azy hono ireny, satria raha nafafiny!
Hofonjany ireny, na dia tsy satriny!
Ka ho azy ireny, na dia tsy tiany!
Tsy maintsy lanjain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/io-ny-varavarako-dondony | IO NY VARAVARAKO DONDONY…! | RRAG | IO NY VARAVARAKO DONDONY…!
Io ny varavarako dondony,
raha misy ilànao ahy.
Hampandroso aho, ka dia sintony,
fa aza dia manahy.
Manahoana ianao?
Valio raha azo atao.
Eo mipetraha,
f’ity ny sezanao.
Ento izato resaka,
tianao hambara.
Aza atao mahaketsaka,
fa halamino tsara.
Ampitonio ny fo,
f’izaho hihaino ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-io | IANAO IO! | RRAG | IANAO IO!
Raha mba tsapanao hoe, isany ianao,
dia manolora tanana, ireo namanao.
Fa banga ny fiainana, raha samy tsy manampy,
fa mijinery fotsiny, ireo tsy manana ampy!
Ianao io koa, mba isan’izy ireny,
mivaky hehy fotsiny, mangina tsy miteny.
Mitazana ireto, manana misompatra!
Nitily maso azy, tsy nanam-po nan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsarovy | TSAROVY… | RRAG | TSAROVY…
Tsarovy am-po mangina,
ny anarako hitoetra.
Izay vesa-panahiana,
antsoy aho dia ho voafetra.
Aza mbola dorana,
ireo sariko ‘zay any.
Aleo koa mba tsy hanimbinana,
ilay mosoara, namafana ireo tomany.
Tsarovy am-po misento,
ny anarako hampitony.
Dia homaivana ny vetso,
tsy hisy ranomaso intsony.
Ary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jery | JERY… | RRAG | JERY…
Oroka najary,
natao tsara kaly,
ilay nisafo molotra,
toy ilay tsipolitra,
nanaraka mpandalo,
vao nahare ‘lay kalo,
tanaty feo manga,
no indray nandrangaranga,
ny fanantenana,
navalon’ny omaly,
noho ny hadalana,
‘zay finga-nampijaly,
namono ny hafanana.
Jery indray nitopy,
nitondra fo nitosy,
nandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-teny-aminareo | ‘LAY TENY AMINAREO… | RRAG | ‘LAY TENY AMINAREO…
Ianao irery no tan-trano, nijoro teo an-davarangana.
Nandrangaranga nijinery, ‘lay masoko nangarangarana,
nitily maso anao ilavitra, ka nifanojo ny masontsika.
Babo aho, resinao, dia lefy ho azy ilay hatsiaka!
Nisioka mafy ianao, mba hampitodika ahy indray,
hijery farany, mialohan’ny handaozak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mbola-misitery | MBOLA MISITERY… | RRAG | MBOLA MISITERY…
Maloka tanteraka, tsy hahitana hazavana!
Mihovitra daholo, nilaozana hafanana!
Nilaozan’olon-tiana, misento mangina!
Manamelo-tena, noho ‘ty vohoka tsy nirina!
Maizina avokoa, ireo lazaina ho soa!
Malazon’ny fahiny, ny vina ankehitriny!
Mizaitra toa mamery, ny ao anaty fo!
Fa mbola misitery, ‘la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lanto | LANTO… | RRAG | LANTO…
Tetika voarindra, sady tsara rafitra,
soritim-piandohana, fehezina ho haharitra.
Faranan-tanjo-nokinendry, sy ny vinavina,
ilay tsara fandaminana, fa noraketin-dina!
Tsy maika toa tsy taitra, saingy tsy ho tara,
satria tokoa mantsy, efa voalanto tsara.
Tsy feno nefa tsy banga, tsy ahiana hanahirana,
vao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-nafoiko | EFA NAFOIKO… | RRAG | EFA NAFOIKO…
Mavesatra loatra ry fo tsy mahatsapa, ‘ty fery zogaiko.
Afo mandoro tsy mety maty mitanika ny aiko!
Ianao anefa efa nanadino ny tena fisiako.
Toa volamena tsy ankosotra intsony ‘ty tsy maintsy ho hariako! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tanaty-nofy | TANATY NOFY… | RRAG | TANATY NOFY…
Tanaty nofiko iny omaly, ilay sariakàn-tavanao,
ilay nahatonga ahy hifaly, raha vao nanofinofy anao.
Tamin’iny irony tsiky, no nisavovona tan-tsaiko,
taitra aho ka zary indrisy, fa tsy hita intsony ianao.
Tanatin’iny nofiko iny, no nahitako anao tomany!
Tanatin’iny nofiko iny, no nahatsapako fa mijal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-anaranao-voatonta | NY ANARANAO VOATONTA… | RRAG | NY ANARANAO VOATONTA…
Mampatsiahy ahy ‘reo mamy,
niainako fahiny,
foiny ianao tanilako.
Ny anarana entinao.
ka nampanembona ahy ‘lay oroka,
ilay natolotrao ny molotro.
Ilay anaranao voasoritra,
tan-diarin’ny fitiavako.
Dia iny no hosoratako,
rehefa an-tanako ny penina.
Dia iny no handrasako,
ho ren’ny sofik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny | IRENY… | RRAG | IRENY…
Andrin’ny fitiavana, antoky ny fo,
be saina fa tsy miavona, endriky ny soa!
Manga feo sy toetra, avoaka hiampita,
nofy amin’ny lalina, na dia hoe tsy vita!
Ireny lasa ireny, izay nisy ny orokao,
nambabo ny fijery, ny amanga masonao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jajajaja | JAJAJAJA… | RRAG | JAJAJAJA…
Jajajaja mafy tsy afaka hifandrenesana,
no hika re manarona ny efitr’ilay zaza!
Tabataban-jaza tsy nisy fiambesana,
fa manao ny ataony, no re mivazavaza!
Jajajajan-jaza tsy tony tsy hay tohaina,
no mamaky fo ‘ty Reny reraky ny ady!
Hikahika mafy mankarary saina,
no indro vao maraina, dia renao sahady!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/volamena-tsy-miloko | VOLAMENA TSY MILOKO… | RRAG | VOLAMENA TSY MILOKO…
Foanan’iny nofiko iny, tsy nitoetra ela akory,
tsy mba niandry ahy ho tony, na hifoha tamin’ny tory!
Ilay fanantenako ny hahita, hahita anao handray ny tanako,
lasa ianao, lasana nandao, fa tsy ho isan’irony namako!
Teo no nahatsapako, fa ny nofy volamena,
saingy indrisy tsy miloko, na mba mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lafaza | LAFAZA… | RRAG | LAFAZA…
Teny izao ny ankizy no naka sy nioty,
sira handrahoana, laoka anio hariva!
Teny irony lisy no niangotingoty,
nananika ny taho, avo sy ny iva!
Teny ny lalao, no re naresadresaka,
nisian’ny ankiafina, nataon’ireo kilonga.
Teny irony vorona, no injay nipetrapetraka,
namahana ‘reo zanany, ‘zay zary dongadon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/visavisa | VISAVISA… | RRAG | VISAVISA…
Neny tiako, mitonia,
aza avela handresy izany, ireo sedra izay minia!
Minia mandrava ny efa vita, efa tafatsanganao.
Mitsangana dieny izao!
Neny tiako sanatria,
ny fitiavana natolotrao, no rotehiny ho simba!
Ny voady vitanao, ilay nahosotra fitia,
no handratoany gidragidra!
Ry fireneko, misahia,
man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/laodivy | LAODIVY… | RRAG | LAODIVY…
Mamo tena mamo, tsy mahita ny hombana!
Doroky ny taoka, dia nikaoty ity Ramama!
Niezaka nisafo ny ivom-pitombenany,
voadaka tsy hita maso, teny amin’ny harenany!
Tsy nahazaka izato tenany, safotra nianjera!
Dia nifamonjena ka nandaniana lera!
Ka injay ny anao nanofy, fa mbola any am-pirevena,
laodivy i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsindry-hazo-lena | TSINDRY HAZO LENA… | RRAG | TSINDRY HAZO LENA…
Sao tsy rariny intsony, fa tena kapoka hamono,
ity hazera hampihetry, ny madinika indrindra.
Sao ho ràtra entim-pony, ity fery miahy hatono,
hozakain’ny saina resy, ‘lay hany sahy namindra.
Nolovaina irony latsa, isan-dova koa ny fery.
Ny tsindry hazo lena asa, toa mbola isan-teritery.
Famator... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafanana | HAFANANA… | RRAG | HAFANANA…
Nijojo nirotsaka nanarona tava,
ilay ora-mikijan’ny andro fahavaratra.
Ny foko anefa tsy mbola nisava,
fa tazako ihany ilay lasa nitaratra.
Nandalo ianao,
nanipaka mora ‘lay volo efa kotsa,
nanolan’ireto fitafy efa lena.
Sendra nierika nahatazana ahy,
nijanona kely nandinika tava.
Nitsiky madinika t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fantatro | FANTATRO… | RRAG | FANTATRO…
Fantatro ianao, fa mbola tia ahy!
Tsapako amin’izao, fa mody tsy manahy,
nefa toa matahotra, ny ho isan’ny tsy tiako.
Sady toa miahotra, manahy ny hosafidiako!
Fantatro ianao, fa efa miandry teny!
Ekeko ihany koa, fa efa nitsianjery,
dia mody tsy nahalala, izay ho valin-teniko.
Satria efa nahatsapa, ‘... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mbola-mino-aho | MBOLA MINO AHO. | RRAG | MBOLA MINO AHO.
Mbola mino aho fa ny foko,
tsy mihevitra ny ho tiana.
Ny fitiavako nafoiko,
ianao koa nariana.
Mbola mino aho f’ianao,
tsy nanadino ny fisiana.
Na dia nilaozako nandao,
dia mbola manam-paniriana.
Mbola mino aho fa mbola hisy,
ny andro hihaonantsika roa.
Saingy indrisy,
fa ao anaty ràtram-po!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/veloma | VELOMA… | RRAG | VELOMA…
Veloma ianao ry tiako,
f’izaho tsy maintsy handeha,
handeha handao anao!
Veloma ianao satria,
ny foko dia voatery,
na dia tena tia,
ny hanadino ireny! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jabolevona | JABOLEVONA… | RRAG | JABOLEVONA…
Jabolevona ny fanantenana, fa izy tsy hiverina!
Nofinofy ny fahazanana, raha tiana hitamberina!
Ranomaso no mby eny an-tava, rakofan-tsento!
Ny maraina aza ity tsy mazava, nangina ny vetso!
Jabolevona ilay fahafahana, hany niadiana!
Jabolevona ny fahagagana, ilay notinakiana!
Alahelo no mamatotra ain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleo-ho-any | ALEO HO ANY… | RRAG | ALEO HO ANY…
Mangina dia aza mitomany,
fafao ny ranomaso,
ka aleo izy ho any,
hanaraka ny ankaso,
famafin’ity tany!
Mangina, k’ampitonio ny fo,
fa tsy anjaranareo roa,
ny hiaraka hamaky,
‘zay sedra ho mandramaty.
Aleo izy ho any,
raha toa nanadino,
ilay akany mamy.
Aleo izy ho any,
raha toa ka tsy mino,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/oirina | OIRINA… | RRAG | OIRINA…
Noirinao hiala, teo amin’ny ivom-pony,
ny fon’ilay fitiavana, hany notompoiny!
Noirinao hihaisotra, ny akanim-pitiavana,
‘lay hany tady tokana, famato-pihavanana!
Dia lasa ianao nandeha, nisidina niala,
sendra sedra mafy, vao niantso indray malala!
Kanefa ianao ihany, no nandrava ny efa efany!
Ary ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/zinona | Z’INONA…? | RRAG | Z’INONA…?
Z’inona ianao no sahy manatsafa,
ny alalin’ny fery nondesin’ny lasa?
Iza ianao no sahy mampihombo,
ny alahelo, ka tsy mena-mampitombo,
ny resaka atao handotoana ny hafa?
Saingy iny anefa dia efa nahazatra!
Z’inona ianao no tsy mena-miteny,
fa ny lasa nosedrainy dia hainao tsianjery?
Nefa iza ianao no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pahina | PAHINA… | RRAG | PAHINA…
Mieza-mijinery saingy tsy mahita,
tsy jamba nefa koa tsy mety ny ho tafita.
Efa fitaham-bady dia mody tsy mijery,
toa tsy moana anefa, tsy afaka miteny!
Tia dia nampirafesiny, natao toy ny tsisy,
tsy mba vehivavy tokana, na koa vitsivitsy.
Fa efa ho iray tanàna, ity nimaolàna,
pahin-tsy mahita, dia nido... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/virijiny-mampirafy | VIRIJINY MAMPIRAFY… | RRAG | VIRIJINY MAMPIRAFY…
Tsy fijery amin-toetra,
na amin’ny vatana madio,
ireo olona mpisetra,
mitondra sedra toa tadio.
Tsy fitopy eny amin’ny maso,
ireo olo-mahatoky.
Tsy ny lasa no mpiankaso,
fa ny tahiry anaty boky.
Virijiny mampirafy,
toa tsy henatra intsony.
Eny an-dalana eny, amin’izato fitafy,
efa ho eny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-indray-no-tsy-hitako | INY INDRAY NO TSY HITAKO… | RRAG | INY INDRAY NO TSY HITAKO…
Lalina dia lalina ny nofinofintsika,
ianao no teo anilako!
Tsy mba namboarimboarina fa tena vitantsika,
ianao no tena silako!
Ianao ‘lay vadin’olona,
voalohan’ny fitiavako.
Efa anjaran’olona,
fa mbola norombahako!
Loza tena loza ‘ty zava-bitantsika,
ianao ‘lay notolomiko!
Tsy kisend... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-dia-mangina | INY DIA MANGINA… | RRAG | INY DIA MANGINA…
Iny dia mangina, aza mitomany.
Asio fifaliana, mba hanamamy tany!
Iny dia misaora, izay mpanome.
Aza avela ho foana, ao am-pon’ise!
Fa ny firaisankina, dia tokan-tsaro-pady,
sady mananjina, ka alaviro ny ady.
Iny dia mahaiza, mahaiza mankasitraka.
Nefa ho hatraiza, vao tsy hisy fitapitaka?
Ata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jereo | JEREO… | RRAG | JEREO…
Ry voahangin-tsaha maraina,
‘lay mitoetra ao am-poko.
Aza avela hitaraina,
fa mba jereo ity foko.
‘Lay midongy satria tia,
te ho anilanao hatrany.
Mikiry ny hiara-dia,
hatrany am-paravazan-tany.
Ry salohy fanantena,
toy ny felam-boa miavaka.
Aza avela ho faharesena,
no hitondra any an-davaka.
Fa mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-dia-lavitra | NA DIA LAVITRA! | RRAG | NA DIA LAVITRA!
Na dia lavitry ny maso,
any ianao no mitoetra,
minia mandositra ny ankaso,
ilay tia misetrasetra,
dia tsy hadinoko mihitsy,
fa tsaroako eny foana,
ny fitiavan’izay nisy,
niafaran’ny fo nisaona! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-penina-iny | INY PENINA INY… | RRAG | INY PENINA INY…
Iny ilay tsiaro, nanoratako ny teny.
Ilay nandrafetako, ireo episitilintsika!
Tsy foiko na dia maro, ny mitovy toy ireny.
Peniko iny, peninao, iny koa no penintsika!
Iny penina iny, ilay namela irony marika.
Tsiahy ny fahiny, sy ny lasa efa navadika!
Iny ilay penina, tokana hany voatahiriko.
Na ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ritsoka | RITSOKA… | RRAG | RITSOKA…
Tsy tomombana ny saina,
ary tsy lafatra ny fo.
Toy ‘lay andron’ny maraina,
tsy voatery hamoka-tsoa.
Ny vary aza tsara toto,
misy ritsoka manaraka.
Ny lamba fotsy mitan-doto,
manam-petra manasaraka.
Tsy voatery ny fo hitia,
fa mety koa mba mankahala.
Tsy ho manga koa ny dia,
raha tsy hisy fitsapana.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tokana | TOKANA | Fidy Art Niaina | Eo anivon'ny natiora no indro hikaloako
Anefeko ny ratra tsy hihitatra ho fery
Ampitsaharako ny foko tsy hitia mba horatraina
Fa hianoka ny kanto; hankafy ny miaina
Foko, tokana ianao, nitempo mba ho azy
Fitiavako, noraisiny ianao, nataony vazivazy
Fanahiko, nilaozan'ilay silany, saika maritiora...
Saio namily l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/s.bem/ny-rariny-saro-tadiavina | Ny rariny saro-tadiavina | S.bem | Ny rariny saro-tadiavina
Ka aza manaohevi-dravina
Fa fisaka ity ho karohina
Tsy hitan'ny fo mora tohina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofinofy | NOFINOFY… | RRAG | NOFINOFY…
‘Ndeha, hotantaraiko ny hadalako,
tao anaty nofy omaly:
“Nofinofiko iny omaly, ny hanidina aho dia hoe,
nofin’ny fahiny, toy ny hita tan-“télé”.
Kinanjo taitra tampoka, ny masoko nahiratra,
miangatra ny lanitra, f’izaho ity sahirana.
Ny arapaka aza tsy hita, ny atelina tsy misy,
ny nofy ity tsy vita, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hamehezana | HAMEHEZANA! | RRAG | HAMEHEZANA!
Toy ny rano an-tendrombohitra, mahita lala-mikodana,
saingy tsy izay no sakana, tsy ahafahany hiampitana,
hivarinany an-drano, ‘zay ranomamin’ny fahafahana,
ranomasin’ny tomany, ‘lay tontolom-panjanahana.
Toy ny voron’ny ala, hafa fijery saingy babo,
miriaria an-danitra eny, tsy manahy ny ho lavo,
ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ampamoaka-sy-fanentanana | AMPAMOAKA SY FANENTANANA… | AbouNusrayni | AMPAMOAKA SY FANENTANANA…
(Les secrets des agents djihadistes à Madagascar)
1.Mahavariana ihany ho'ah - ry zalahy sasany iretsy,
Raha andeha atao hoe bado - nefa toa mbafetsifetsy.
Manasa atidohan'olona - f'efa akaiky hono ny ady;
Ka tsy ilaina intsony izany - mbola andeha hitady vady.
2.Ireo efa manantokan-tran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hay-hadinoina | TSY HAY HADINOINA | Fredy Jaofera | TSY HAY HADINOINA
Tsy hay hadinoina
ny teny nandratra,
na dia notsaboina
mbola tsy hihatra.
Tsy hay hadinoina
ny fanambaniana,
na dia novonoina
hamoha faniriana.
Tsy hay hadinoina
'rony fandroahana
toa nokolokoloina
tena haka bahana.
Tsy hay hadinoina
ny fosa isan'andro,
'reo lala-nolotoina
ka gina anto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dia-tsarovy-izao | DIA TSAROVY IZAO… | RRAG | DIA TSAROVY IZAO…
Raha zaza nilalao,
tsy nanam-pahadisoana,
no nomelohinao,
dia tsarovy izao:
“Fa ny lanitra ao ambony, misy an’Andriamanitra,
no nozoninao, hianjera eto an-tany.
Satrinao mantsy, ny fon’ireo mahantra,
dia isan’andro hijaly, fonosin’ny tomany!”
Raha zaza menavava,
tsy nahalala akory,
fa ny ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mpanjaka-no-teraka | MPANJAKA NO TERAKA | Fredy Jaofera | MPANJAKA NO TERAKA
Mpanjaka no teraka,
ry mponina an-tany,
ka saotra tanteraka
no alefa eto ihany.
Mpanjaka no teraka
ka andao hankalaza ;
aoka tsy ho reraka
fa Tompo ny zaza.
Mpanjaka no teraka
ka voavonjy, zareo,
ny andro dia heraka
anjely teo no ho eo.
Mpanjaka no teraka
ka asandrato ny hira
tsy mahay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/henatra | HENATRA… | RRAG | HENATRA…
Henatra amin’ny fo, ny hanambara izay aminy,
tahony ihany koa, ny hizaka ny tomaniny.
Saingy toa tsy maintsy, ary tsy ahafaha-miteny,
nefa ihany koa tsisy teritery, ireny rehetra ireny.
Henatra amin’ny tia, ny hizaka amin’ny tiany,
ny tahirim-pitia, nilaozan’ny fahiny.
Saingy tsisy tsiny, raha sitraky n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-teo-foana | RAHA TEO FOANA | Fredy Jaofera | RAHA TEO FOANA
Raha teo foana ianao
nitondra ahy torimaso,
ritra mora fa tsy tsaho
'reo hita ho ranomaso.
Raha teo foana ianao
nitondra lamin-tsaina,
niroborobo tao ho ao
'reo toky nantenaina.
Raha teo foana ianao
nitondra fahasoavana,
azo inoana fa nandao
'reo tebiteby goavana.
Raha teo foana ianao
niton... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/eo-imasonao | EO IMASONAO | ILIMIM JIVISDI | Eo imasonao mibanjina ny tavako
No misy tsela-baratra manaitra ny fitiavako
Eo imasonao no sisa manambara
Ireo herim-pitosiako, safidy sy anjara
Eo imasonao no tazako miposaka
Ilay andon' ny marainako saikatra itosaka
Eo imasonao no hany ivantanako
Hiventso ora iray ho diavolam-penimanako
Dia ny molotrao no han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mbola-misy-any | MBOLA MISY ANY… | RRAG | MBOLA MISY ANY…
Raha sakana fitia, no mety tazanao,
betsaka hono mantsy, ireo be fanahiana,
efa tonga vao nanenina, tamin’ny tsy natao,
arosoy ny dia, fa aza raharahaina!
Raha rojo izay mamatotra, ny fo tsy hitia intsony,
fa hankahala olona, amin’ny tsy natao,
no injay lazainao, fa fo efa nitony,
dia adala anga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-dia-tsy-ho-izao | NA DIA TSY HO IZAO… | RRAG | NA DIA TSY HO IZAO…
Niondrika aho nijery, ny tany nihovitrovitra.
Navelany irery, hisedra ady mafy!
Nitraka aho nitazana, ny vatako nangovitra.
Nahita fo naràtra, namery hatrany anaty!
Nosavaiko moramora, ny paosi-pataloako.
Nalaiko ilay mosoara, famafa ranomaso!
Nanatona aho avy eo, nanolotra ny tanako.
Mangin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/nisy-fahatsiarovana | NISY FAHATSIAROVANA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | NISY FAHATSIAROVANA
Nisy toerana mangina
nolalovanao tsinahy
saingy tsy azonao an-tsaina
ny tantara noraketiny
nisy toera-manirery
nolalovanao mangina
nahatsiarovanao ny lasa
ka tosin'olon-kafa no sisa
mampiaina ny tontolony
ka mitamberina aminao
ny hasambarana mamy
tamin'ilay ambohimanina
nisy diary nirak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/bango-tokana | BANGO TOKANA… | RRAG | BANGO TOKANA…
Taiza tamin’ireny, teninao ireny,
no hoe tanterakao?
Firy tamin’ireny tokinao ireny,
no mba notananao?
Vola firifiry, tamin’ny azonao,
no nenti-nanasoa?
Hatraiza tamin’ny ezaka, izay vitanao,
no tena voka-po?
Mangetaheta mafy ny fahavononanao,
ny firenena mamy!
Mitaky fahazotoana avy any am-pon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ry.ho.tsy/teboka | TEBOKA | RY.HO.TSY | TEBOKA
Raha mafy fijadonana ilay teboka mpametra.
Ka namaran'amboletra
ny kinasa nantenaina.
Hatrany ataovy an-tsaina,
fa ialahy anie ilaina
ho olona miaina hahatanty lazon'ady e!
Fa tsy akory ho be taraina.
Fadio ny mitanondrika eo an-tany nahalavoana.
Fa hatrany mitrakà, ka ataovy tsara vona
ny tendrom-piha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/efa-sambatra | EFA SAMBATRA | Timoty Josto | "EFA SAMBATRA"
Tadidinao ve ilay oram-batravatra,nirotsaka omaly
Izaho tamin'iny nanararaotra nitomany
Ranomaso farany nanadinoako anao
Ka nanakohako eran'izao tonto izao
Ka ny mombanao rehetra
Ny salovan-tavanao
Nohadinoko tsy nisy fetra
Eny,hatraminy ny anaranao
Toa tsy tsaroako intsony ilay nilaozanao
Toa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kendam-bomanga | KENDAM-BOMANGA… | RRAG | KENDAM-BOMANGA…
Moa ‘zao ianareo ka nahalala anay,
ilay nitafo lanitra tan’oran’andro?
Naloto sy nisolitaka ny tenanay,
ary tsy nahita izay anjara masoandro!
Sendra vomanga teny an-jaoridira,
dia avy nandrapaka tsy nihafahafa.
Loza ity izy fa toa nasirasira,
tsiro toa tena tsy mba nahazatra.
Nanesika ihany tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/omeg-ratojo/ankohonana | ANKOHONANA | Omegà Ratojo | ANKOHONANA
Misy ankizy mikorana
Ao anaty takariva
Mankamamy fahazazana
Misy Neny tsy miato
Manasoa ny ankohonany
Sy manakona sakafo
Misy Dada mamomamo
Adalain'ireo ankizy
Ka dia mitantara angano
Misy fo sara-tiana
Saingy tsy hitan'iza sy iza
Ka manoratra mangina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ry.ho.tsy/raha-azonao-atao | RAHA AZONAO ATAO | RY.HO.TSY | ~"RAHA AZONAO ATAO"~
Aza atohokao ny molotro ny afero TSY MITAPOKA
... fa mba tapohy: indrafo
... mba larohy: fihantrana
F' ity nofoko efa ho lo
Ary efa drodroka sy hana e!
De Aza ataonao maro loatra ireo sedra sy ny KAPOKA
... fa mba tonio: vetivety
... mba tafio: safosafo
De mba hitaro elaela raha toa ka mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lalana | LALANA… | RRAG | LALANA…
Raha tsaroanao, iny lalana iny,
‘lay lalan-dranomaso, namoizako anao.
Mbola iny lalana iny, nefa ankehitriny,
no mitondra ity ankaso, hanatonako anao.
Izy iny no nisafo, nampihanta anao toy izao.
Izy iny koa no afo, nandoro ny ahy sy anao.
Iny lalana iny, no mbola miezaka mandrafitra.
Iny lalana iny, no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izaho-ve | IZAHO VE…? | RRAG | IZAHO VE…?
I Fitiavana no reniko, i Fankahalana ho’aho no raiko.
Ny ràtram-poko no nafeniko, dia noho ianao ‘lay sombin’ny aiko!
I Fahoriana no injay kidoro, natao handrian’ity foko!
Miahotra mafy ‘ty foko toro, ilay namoy ity tolokoko!
Izaho ve? Ilay tia fa tsy afa-miaina, noteren’ny saiko handeha,
handao ilavit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anio-sisa | ANIO SISA. | RRAG | ANIO SISA.
Anio sisa dia ho afaka, ny hirifirin-taona maro!
Anio sisa dia ho afaka, ny fonao ny mba nikalo!
Ka hamonjy taona vao, hitady izay tara-masoandro.
Ny alina no andrasana, dia hivalon’ireo andro!
Anio sisa, no hanitsahanao ‘ty taona.
Ity taonam-pahoriana, tsy mba nijery anao akory.
Anio dia mety hangina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hisy | TSY HISY… | RRAG | TSY HISY…
Tsy nisy fo iray, sahy nandao olon-tiana,
noho ny sakantsakan’ny hafa.
Tsy nisy fo iray, sahy nandrava faniriana,
satria voafatotry ny lasa.
Tsy nisy na iray, sahy naneho ankalalahana,
ny fitiavana ao am-pony.
Tsy nisy fo iray, sahy niady fahafahana,
fa ny lasa ny azy hoe hafoiny.
Sahiny nodorany ano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vodilanitra | VODILANITRA… | RRAG | VODILANITRA…
Ny vodilanitra madiva, filetehan’ny masoandro,
no tsiaron’ny fahiny, fony ianao nanorok’azy!
Ny fisarahana tsy satry, raha vao misarak’andro,
no tamberin’iny lasa, kay ny andro hariva sahady!
Iny vodilanitra iny, no diarim-pahatsiarovana.
Ilay nodorana tsy may, nalevina tsy lo!
Iny irery ihany, no m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hiteny | TSY HITENY… | RRAG | TSY HITENY…
Raha hangina tsy hiteny,
toy irony raozin’ny ala.
Mahita tsy mijery,
fitepom-po adala.
Dia atao hoe maneso,
manaraby ny fitiavany.
Nanantena saingy hatreto,
hatreo ihany no mba sahiny!
Raha hijery fa tsy hahita,
nefa tsy jamba maso akory.
Dia ho mety hanapitr’isa
ireo fery mampaory.
Saingy tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/saronan-tava-fotsiny | SARONAN-TAVA FOTSINY… | RRAG | SARONAN-TAVA FOTSINY…
Naka anao ho namana,
dia avy nitsikafona ireo lasanao.
Nanambitamby ho havana,
dia nanasoketa ny tsara vitanao.
Nanenjika mafy ery,
tsy nitambo fahasasarana.
Nilaza ny ho tena tia,
hay moa ka namana, tsy afa-nifaharana!
Saronan-tava fotsiny,
irony fahatsorana nenti-namaboana!
Fa hay ‘ty... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teraka | TERAKA! | RRAG | TERAKA!
Maro ny hogahoga, re avy eny antsaha,
fa teraka ny Tompo, ilay hamonjy antsika.
Nefa mbola maro, ireo fo no toa manahy,
ny hidera azy, fa mbola mangatsiaka.
Maro ny hazavana, mandrakotra tanàna,
fa tokana sy iray, no tena fanjakana,
dia ‘lay zazakely, nateraka hamonjy.
Io ‘lay zazakely, dia i Kristy Mpa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-tatamo-ianao | RAHA TATAMO IANAO… | RRAG | RAHA TATAMO IANAO…
Mafy loatra ny sedram-piainana, lalovan’i Tatamo.
Ny azy vahona no iainana, hetaheta ambony rano.
Maro loatra ny ranomaso, izay narotsak’i Tatamo.
Isan’andro isan’andro, tsy maintsy miaina izay ho angano.
Mitsingevana ny fiainany, ranomaso lava no iainany.
Ny tafiotra mamingana, ny onja ny azy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/lasa-hono-kiala | LASA HONO KIALA | Timoty Josto | LASA HONO KIALA
Lasa hono kiala
Lasa nanambady
Ilay mba zazavavy
Notiaviko mangiana
Nofisiko isan'andro
Indrindra ny alina mangina
Lasa tsy niteny
Tsy nampilaza akory
Taty aoriana henoko
Fa nanambady hony
Ka ory izany foko
Ny ahy koa sitra-poko
Tsy niteny aho hatr'izay
Izao izy toa "bye bye"
Lasan'olona ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ry.ho.tsy/ngaoma | NGAOMA | RY.HO.TSY | ~"NGAOMA"~
Tsy mpiandriaka manara-morona
Na mpijirika manin-day
Fa harivariva an-tanin'olona e!
Ny vitsika momba kitay
....ka MAHATSIARO NY TANY NIAVIANA
(CU ankatso1) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mariazin-dranomaso | MARIAZIN-DRANOMASO… | RRAG | MARIAZIN-DRANOMASO…
Nihovitra ny tany, tresaka ny lanitra!
Nanjaka ny tomany, fa resy ny mahantra!
Nilatsaka ny varatra, nianjera teo an-doha!
Maloka ny taratra, marary indray ny fo!
Sabotsy feno ràtram-po, nandrava vinavina!
Andro tsy nitondra soa, namoizana ny tiana!
Teo anoloan’alitara, ilay fahavalon’ny fiti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/babangala | BABANGALA… | RRAG | BABANGALA…
Ny akaninay taloha, haolo sy efa drodroka,
poti-baravarana, sy roti-kalalao.
Ny rindrin’efatray, nihintsana fa boboka,
ny efi-mangatsiakany, injay fa mitalaho!
Ny tranonay fahiny, sisasisan-drivotra,
tsy ravan’ny tafiotra, fa ‘njay mijoro ihany!
Io babangoana io, ny varavara-miditra,
‘lay nakaratokay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/mpirahavavy-isika | MPIRAHAVAVY ISIKA | Lova miar'shu | MPIRAHAVAVY ISIKA
Tsy hafa akory isika
Fa mpirahavavy foana
Ny ra mitovy dika
Ka hifandrafy ahoana?
Novonoinao tanaty ny diary
Ny soratry ny tantarako
Nosintoninao ambadiky ny sary
Ny rangotry ny anarako
Izaho ihany noho ianao
Fa mpirahavavy isika
Na hatrany hifandao
Mbola ary hifankahita
Ny amiko tsy azon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nilaozanao-14197 | NILAOZANAO… | RRAG | NILAOZANAO…
Na dia nangina, mody tsy niteny aza ianao,
dia fantatry ny tiana, fa nanomboka efa lao.
Leo ny adin-tsaina, nanototra ny tena,
dia lasana ianao, nandeha namono tena.
Ny ranomasonao anefa, dia mbola ity tavela,
mihazona mafy, ‘lay olon-tianao.
Io ihany mantsy, ilay fatoran-tady, efa hatramin’ny ela,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hay-soratana | TSY HAY SORATANA | Fredy Jaofera | TSY HAY SORATANA
Tsy hay soratana
ny ratran'ny lasa
namely ny vatana
sy mbola nikasa.
Tsy hay soratana
ny sedra nahazo
zava-namantana,
nitondra ny tazo.
Tsy hay soratana
ny rava tsy fidiny
natao hamiratana
fa tojo ny ngidiny.
Tsy hay soratana
ny ady natrehina
tsy nisandratana
fa zary nopehina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-hafatro | Ny Hafatro | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Ianao ry volana iny no irery mampiray,ny any sy ny aty
Raha sitrakao indrindra
Meteza ianao hitsidika, 'lay sakaizako any
Fa manina azy aho, ka ianao no hafarako, raha sitrakao indrindra
Mandehana ianao izao anio izao hankany aminy any
Rehefa tonga ianao,dondony moramora ny varavara-tranony
D'izao hambara aminy r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/neny-tiako | NENY! TIAKO… | RRAG | NENY! TIAKO…
Ry Neny!
Feno loatra re ry Neny,
ny fitiavanao ahy.
Ka izay!
No nahatonga ahy hiteny,
hoe:
“Raha eo ianao dia sambatra aho”.
Ry Neny!
Tsy hiahotra aho ny hilaza,
ka hanakombona ny vava.
Tsy haneho aminao,
hoe:
“Tiako loatra raha ianao”.
Ry Neny!
Tanisaiko eto anio,
manoloana ny lanitra.
Fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-tadidinao | RAHA TADIDINAO… | RRAG | RAHA TADIDINAO…
Raha tadidinao, irony lasantsika,
nitahiry tsiaro, kanefa nofafana.
Dia hotsaroanao, ny ali-mangatsiaka,
nisy tsiahy maro, nitondra hafanana.
Raha tadidinao, ny oroka nataoko,
teny amin’ny molotrao, iny alina iny.
Narahako ‘reo safo, teny an-tavanao,
dia hotadidinao, ny hatsaran’ilay fahiny.
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/mahay-teny-ekena-teny | MAHAY TENY EKENA TENY | AbouNusrayni | Miala tsiny miala fondro miala salohy fito fa masiatsiaka izy ity eee!
MAHAY TENY EKENA TENY
1.Isika avy any an-tsisintany,
'ndao mba asiana teny vitsy.
Toa mahonen' izany,
Tsy mety tonga saina m'hitsy
2.Be hambompo fahatany;
Tsy dia tia miasa saina.
Ny valy bontana hatrany,
No mba entina miaina.
3.'reo olon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/naolanao | NAOLANAO…! | RRAG | NAOLANAO…!
Noriatinao ny akanjony, natosikao izy iny,
hianjera am-parafara, ‘zay farafaram-badiny.
Nataonao daholo, ny fomba tsy fanao,
amin’ny mahaolona, k’izay! Ny mahabiby anao!
Naolanao ny tenany, noràtrainao ny vatany voakolo.
Nopotehinao ny hasin’ny fiainany, sy ny ainy manontolo.
Nokasihanao ny mahaolona ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toi | “TOI”! | RRAG | “TOI”!
Mba mahagaga ihany, ny fo rehefa tia,
fa miova ny fahazarana, nentin’ny fahiny.
Tsy “miracle” io, na “magie” koa sanatria,
fa toy izany mihitsy, rehefa sendra ny olon-tiany.
Very ilay izaho, manjaka irery am-po,
tafiditra ianao, ilay tsy teo taloha!
Niala ny “moi”, dia niditra ny “toi”.
Tsy avy aiza ireo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mifona-aho-aoka | MIFONA AHO, AOKA… | RRAG | MIFONA AHO, AOKA…
Injay! Injay fa toa niverina,
ilay safosafonao, nikasika ny vatako.
Ilay orokorokao, no reko mitamberina,
mihazona ny molotro, hamerina ny lasako.
Nofihininao ny tanako, nofihininao mafy!
Nosafoinao ny tratrako, avy ianao dia niantsampy,
nanoroka ny molotro, nitady tsy hiala!
Saingy, tonga ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anio-aho | ANIO AHO… | RRAG | ANIO AHO…
Nandinika aho ny alina, ny hamakiako teny.
Hatramin’ny sasak’alina, mbola teny ho eny.
Teny am-parafara, nandinika ny ambara.
Nihevitra aho omaly, ‘zay toky hoentim-bavako.
Nisy tamin’izany, nadikako! Nosoratako!
Fa omeko anao, alohan’ny aho handao.
Anio aho mantsy, tsy maintsy hanainga ilavitra.
Ka n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/soa-ny-fiarahantsika-ind | SOA NY FIARAHANTSIKAInd | Hajanirina Mahavaly | SOA NY FIARAHANTSIKA
Indro izaho sy ianao tafiara-dia
Toy ny olon-droa mpifankatia
Tsy omby tratra ny hafaliana
Nisinda teo koa ny hakiviana
Angamba hoy aho hoe tsy eto an-tany
Fa nisidina an'habakabaka any
Niaina tao anaty fahasambarana
Fotoana fohy ihany dia nifarana
Asa ianao raha nihevitra toy izany
Hoe f... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.