url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/somary
SOMARY
Fredy Jaofera
SOMARY Somary hafahafa ny androko anio : toa tsy ampy tafa ka vangivangio ! Somary hetaheta mitady hafanana tsy tia « mahareta » fa dia tsy tamana. Somary hirahira mitondra tomany tsy mpamiravira fa sento hatrany. Somary horohoro ao anaty mangina, tsy mba mpanoro ny tena irariana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ferinaina
FERINAINA…
RRAG
FERINAINA… Voatsindrona ny aiko, raha vao niteny ianao. Naloto hatramin’ny saiko, raha vao nilaozanao. Tiako loatra ianao, saingy indrisy fa namela, ferinaina mitatao, zary rakitry ny ela. Voafitaka ny foko, raha vao nandà ianao. Foana hatramin’ny finoako, ny amin’izay hiverenanao. Tiako loatra ianao, nef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/famatotra
FAMATOTRA…
RRAG
FAMATOTRA… Rojo mihazon’aina, tsy ho azon’ny fasana! Sakana mitàna, manosika ny lasana! Famatotra manambatra, mampiray ny any, sy ny aty, ny vetso sy tomany! Mangina loatra anefa, toa re ny siokam-borona! Ny antso tsy niantefa, na dia nisy ako! Fa injay niverina, sady tsy mba nisorona! Tsy mba nampilaza, fa avy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/menarana
MENARANA!
RRAG
MENARANA! Tsy nampoiziny ho ianao, ilay niladilady taminy, no hahavita ny handao. Tsy noheveriny ho ianao, ilay tokan’ny akaniny, no nahavita izao. Nametrapetraka azy, tanivon’ny oram-baratra, sy tsela-po nandoro. Ianao mihitsy, tsy afaka ny hifaka, no hitany namono. Ny afon’ny fitiavany! Menaràna maty, tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anio-aho-hametraka
ANIO AHO HAMETRAKA…
RRAG
ANIO AHO HAMETRAKA… Anio aho hametraka teboka tokana, hamarana pejy niantombohan-tantara. Anio no sokafako ny pejy manokana, handraketako ireo ainga sy amboara. Mangina ry lasa fafao ny tomany, ny hoavy jerena dia sahia mijoro! Ny anio re hatrehana fa aleo iny ho any, fa ‘zay sedran’ny lasana efa hikoro o! Ani...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloka/tokana-ny-fotokana-ny-sa
Tokana ny fo,tokana ny sa
Aloka
Tokana ny fo,tokana ny saina Ireo rehetra ireo samy miara_miasa Ka maniry iray ihany,fa samy manan'aina Tokana ny tanjona samy tia ho tafa Na dia teo ny tsato_kazo Tsy natao ho sakana akory Fa niara_niaritra ka samy mba nahazo Himbajinana ny apitso izay tsy anao akory MAVOANY
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/namana-mpinamana
NAMANA…! MPINAMANA…!
RRAG
NAMANA…! MPINAMANA…! Fony isika roa vao zaza, nilalao tandrefan-trano, no nanamafy fihavanana! Ankehitriny isika angamba, efa manan-tokantrano, dia tsy hanadino fa mpinamana! Fony izaho sy ianao, ny lela mbola toa nibada, tsy nahay niteny akory, hafa tsy hoe: “Aiza, i Dada?” Ary avy eo dia naka-tory, dia efa n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lapino/efa-sambatra-hono-izy
Efa sambatra hono izy
Lapino
(Setrin'ny tononkalon'i Rado hoe Ambangovangony) Efa sambatra hono izy, raha vao niala taminao Dia nahita olon-kafa, Namany fony ankizy, mbola niara-nilalao. Efa sambatra hono izy, efa hadinony daholo Izay nataony ho voafafa, Ka sondriana izaitsizy mankafy ny tontolo. Efa sambatra hono izy, satria efa voafohany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vato-mafana
VATO MAFANA
Fredy Jaofera
VATO MAFANA Vato mafana efa norarana no nahaliana ka nijaliana. Vato mafana sarotra alana efa nambara fa tsy tsara. Vato mafana tsy tia lalàna mpivadi-dela hatry ny ela. Vato mafana tao an-tanàna nandoza tokoa sy efa nahavoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hiraiko
HIRAIKO
Fredy Jaofera
HIRAIKO Hiraiko ny mafy nanefy ny taona hiova sy hanafy soa fa tsy saona. Hiraiko ny jaly nandreraka ery hiala ny omaly ho tonga ny fy. Hiraiko ny rofy nahazo ny tena hisinda ho nofy tsy hay fefena ! Hiraiko ny fery nahabe tomany, hivatsy ny hery sy mba ho lany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-voadinika
TSY VOADINIKA
NY HERIMAR
TSY VOADINIKA Vahiny sendra nandalo no nanarianao havana; Goaika tsy mahay rano no hany ve hireharehavana? Ny vao? Misosasosa, Ny ela tsy mba fanary; Voronkely tena kanosa, Resin-tambitambin-kary. Ny lakana raha voatsipaka, Mahalala mihemotra loatra Aza manendry tena ho voafitaka raha asainy mody any ankoat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nisy-tsikinao
NISY TSIKINAO…
RRAG
NISY TSIKINAO… Nisy tsikinao tsaroako, niserantserana nanaloka, ny eritreritry ny foko, ka nahatonga azy ho maloka, hampitamberina ny lasany, ilay nilom-pery iny! Hamoha indray irony kasany, izay nilanjany tsiny. Nisy tsikinao nanery, ny saiko tsy mba hanadino. Ka ny foko no voatery, handrehitra ilay fanilon’ ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-fahendrena
AMIN'NY FAHENDRENA
Fredy Jaofera
AMIN'NY FAHENDRENA Amin'ny fahendrena no andrefesako azy fa tsy amin'ny vola toa tsy hay fefena, na hoy izy : " otazy raha maniry hidola." Amin'ny fahendrena no anavahako azy fa tsy amin'ny hery mbola mahasorena, na hoy izy : " fohazy fa laza tsy mamery ! "
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ny-tononkirako
Ny Tononkirako
Fidy Art Niaina
Ny ankizy milalao Eto antokotany Ahatsiarovako anao Lasa any lavitra any 'Zaho tsy mahita atao Variana mitomany ianao tsy ahitam-baovao izaho tsy afaka hanontany Ny tanana mankalao Nilaozako ny akany Veloma Antanambao F'izaho andeha ho any
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/ho-avy-ny-tompo-ho-anao
HO AVY NY TOMPOHo anao
Hajanirina Mahavaly
HO AVY NY TOMPO Ho anao izay kivy amin'ny zava-manjo Very hevitra ianao ka mamoy fo Mijoroa, mitrakà fa aza mitomany Ho avy amin'ny heriny ny Tompo hanafaka izany Tsarovy fa ny fiainana tsy hilaozan'olana Indraindray aza moa miha-mafy ilay fatorana Na izany aza anefa Kristy no jereo Fa izy irery ihany no hanafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-akany
NY AKANY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
NY AKANY! fa mba nankaiza ny olon-tety no rindrina sisa tinazana ny vovonana indreo mikodia ny efitra toa ngazangazana ny rindrina no sisa mijoro fandrotsarana no haingo tanàna ireo tafo nianjera nikoro toa nilaozan'ireo tsy tamàna dia lasa aiza ny olona teto no avana sisa mitsangana? akany toa mpamelon-tsen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tafatafa-lasalasa-
TAFATAFA, LASALASA …
AbouNusrayni
TAFATAFA, LASALASA … 1.Mihamanana hatrany ny mpanana; F'izay tsy tafa taraiky eny ihany. Tsy maniraka hiravy tanana; Fa mampandinika fomban'ny tany. 2.Misy zavatra tsy be mpilaza; Ka tafajanon-ko tsiambaratelo. Ny fizarana izay mba sahaza; Anie maha-tsara ary koa mahavelo. 3.Misy manome ampahafolon-karena; K...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-noelin-draozy
NY NOELIN-DRAOZY…
RRAG
NY NOELIN-DRAOZY… Ny noelin-draozy! Fambara fahafatesana, fanao veloma aina, raha hamonjy vazy. Ny noelin-draozy! Tsy misy fiambesana, fa misy felam-bao, tinapaka sahady. Ny misasak’alina, fanehoan-taraina. Misy aza malazo, tsy mahandry ny maraina! Fa mivarahontsana, mihovitra miahotra. Ny noelin-draozy, fambar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/rava-fankahalana-ve-no-n
RAVAFankahalana ve no n
Hajanirina Mahavaly
RAVA Fankahalana ve no nasetrinao Ilay fitiavana natolotro anao Nitondra ratram-poko Sentosento sy toloko Fiatsarambelatsihy hoy ianao Nefa tena avy ao am-po No namborahako fitia Ho anao doria doria Na ho rava aza ny amintsika Tsy haiko ny hanadino anao Noho ireo zavatra efa vita Izay niarahana natao Tao n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rango-peniko
RANGO-PENIKO…
RRAG
RANGO-PENIKO… Tomefy alahelo ny foko sy ny saiko, mahita anao tomany sy vonton-dranomaso! Hontsa tena hontsa ny atiko sy ny aiko, raha nahare fa, nisedra ianao ankaso! Dia nilavo lefona, nandreto-nitomany. Resin’ny fiainana, sy ny setrasetrany! Ka nigogogogo nanamando tany, fa valaka sy drodroka, raha ny eritre...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nitsiry-raozy
NITSIRY RAOZY…
RRAG
NITSIRY RAOZY… Namelana ny foko, nitsiry raozy mainty. Nolaviko avy hatrany, ny teny hoe tsy maintsy! Tsy tiako ny fitia, rakofam-panerena. Tsy laviko anefa, fa ao no ivom-pandemena! Nefa kosa, aoka tsy hisy tambiny! Tsy hamarotana safidy, ho varotra hambongadiny, na hanaovana, ny fo takalon’aina. Hahatonga az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahasarotam-piaro
NY FAHASAROTAM-PIARO
Fredy Jaofera
NY FAHASAROTAM-PIARO Ny fahasarotam-piaro, rahavavin'ny fitiavana, tsy misinda ka fantaro fa misy tomandavana. Ny fahasarotam-piaro, mampitombo azy koa rehefa mampahatsiaro azy izany vao namoa. Ny fahasarotam-piaro, mpanaloka haravoana, mpanimba zava-maro tsy misy fandrosoana. Ny fahasarotam-piaro, aretin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/hantahantako
HANTAHANTAKO
Tara-masoandro
Hatory an-tratranao No mba tena faniriako ry volana eny ambony Hiara-tsambatra aminao, ka ho foana tsy hisy intsony Ireo nofy ratsy mankalao, Fa hitony an-tratranao Ny faka-lalin'ny fisiako Dia soloinao nofy mamy ireo ngidim-pahoriako Mba hitempo an-karavoana ilay aina anatiko ao... Izao oa ry volana eny ambony...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hay-vorondolo-
HAY, VORONDOLO !
Fredy Jaofera
HAY, VORONDOLO ! Hay, vorondolo no nisidintsidina nitilitily im-polo vao nanodidina. Hay, vorondolo no niverimberina nandrava tontolo ka antitranterina. Hay, vorondolo no nihaodihaody hany ratsy volo sy nitazona aody. Hay, vorondolo no nanelingelina nandatsa daholo ny zavatra telina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/sitraka
SITRAKA
Ora
Fantatro izay inoako Mba fantatrao va re Fa an-taona marobe no nitalahoako Tsy ho voaveriko eto ‘Reo toloko sy ny sento izay nampitoloko Tao ny fahoriana Tao koa ny fijaliana, samy nampilofika Nisy ny adi-tsaina Izay nampiferin’aina nefa aho tsy nitanondrika Satria…… Fantatro izay inoako Tokana IZY tsy hosol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manja-toy-ny-anjely
MANJA TOY NY ANJELY
Fredy Jaofera
MANJA TOY NY ANJELY Manja toy ny anjely iny zanak'olona iny ka mampitepo kely ny foko ankehitriny. Manja toy ny anjely ka dia mahavariana fa tsy ratsy velively ny bika raha zohina. Manja toy ny anjely ka nahafinaritra ahy nofisiko ho modely hampety ny fanahy. Manja toy ny anjely ka mandrehitra fitia nata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taratasy-iray
TARATASY IRAY
Fredy Jaofera
TARATASY IRAY Taratasy iray fony nifaly sy tsy nihovitra ny momba antsika no sisa tsy voarovitra fa hany voatahiry ao anatin'ireo tanatara narafitra ho antsika ho porofo tena tsara. Ny teny ihany sisa anio no lasa sy tsy re fa 'zay soratsoratro no mitoetra maro be milazalaza ho azy ilay fitia tsy imolotra, sady...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fa-dia-nahoana-kosa
FA DIA NAHOANA KOSA?
RRAG
FA DIA NAHOANA KOSA? Fa dia nahoana kosa, ‘ty lahatra sy anjara, no tsy mba namantsika, nandrindra ny tantara? Fa dia nahoana isika, no tinerena tsy hiara-dia, ka tsy afaka ny hita, hampiray ny fitia? Fa dia nahoana kosa, isika no tsy avela hiray, tsy afaka ny hivoady, hifankatia mandrakizay? Ny hafa anefa anie ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/veloma-ry-zoky
VELOMA RY ZOKY…
RRAG
VELOMA RY ZOKY… Voafetran’ny lahatra, ny fiainan’ny tany! Voatefin’ny tendry, ny anjarantsika! Ny fo mbola hitsahatra, hitondra tomany, eo anoloan’ny vata-mangatsiaka! Ny fasana namana, fa foto-takaitra, nitondra ny fery, zoga tsy laitra. Namana akaikin’ny fahafatesana. Anjara voatendry, tsy afaka hilefasana! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-ianao-saingy
TIAKO IANAO SAINGY…
RRAG
TIAKO IANAO SAINGY… Tiako ianao saingy, tsy afaka ny foko, ny haneho ankalalahana, ny fitia anatiko ao. Tiako ianao saingy, ny aiko toa tsy sahy, hanambara anao ny marina, ‘zay tahirizin’ny fanahy. Tiako ianao saingy, fantatro dia fantatro, ny fitroatram-poko, raha vao mahita anao, eny an-tratrany eny. Ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hambo-sy-di-doha
HAMBO SY DI-DOHA!
RRAG
HAMBO SY DI-DOHA! Mba nafafiko ihany, ilay vonin’ny fitia, nitoetra tao anatiko. Kinanjo nofy ihany, fa toa tsy mba naniry! Ny afony anefa, nandoro mafy ahy, ka hila tsy ho tantiko. Saingy toa tsy nety, tsy nety mba nitsiry! Notondrahako ihany ny zaridain’ny foko, mba tsy hintsam-bony. Kanefa tara loatra, fa tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toratoraka-fitia
TORATORAKA FITIA…
RRAG
TORATORAKA FITIA… Mavesatra tsy zaka, tsy efa holanjaina. Mihiboka ao an-tratra, mitondra ny taraina, ilay fitia nitsiry, tsy afa-nampitaina. Ka mbola voatahiry, hatramin’ity maraina! Mitondra hafanana, zary afo iray mandoro, ny toraka fitia, nataoko taminao. Zary hadalana, mety mbola hamono, ny namela ilay tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-alina
NY ALINA!
RRAG
NY ALINA! Tsy andriko ny hifohazan’ny maraim-bao, raha vao madiva ny alina! Satriko foana ny hahita anao, na dia ny mamaton’alina! Fa ny hanitrao tsy foiko, manaraka ny orona, sy ny tanako nisafo. ‘Lay endri-tavanao mamin’ity foko, toa reko hoe, ilavitra ahy ny ankaso. Raha sendra eo ianao, ‘lay tokana tsy foi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tsikinao
NY TSIKINAO…
RRAG
NY TSIKINAO… ‘Lay tsiky toa jery, mamatotra ny masoko. ‘Lay tsiky tsianjery, tsy miala ao anatiko. Ny tsikinao, tsiky iray malefaka, nahababo ahy. Ny tsikinao, tsiky tsy mavesatra, fa zogan’ny fanahy! Ny tavanao mazava, toy ny taratra masoandro, arahin’ilay tsikin-jaza, eny an-tava isan’andro. Ny tsikinao, moa f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-oroka-nitondra-fakam-panahy
‘LAY OROKA NITONDRA FAKAM-PANAHY…
RRAG
‘LAY OROKA NITONDRA FAKAM-PANAHY… Zavona natevina, nitondra oram-baratra, no nanarona tanteraka, ny lanitry ny tany. Ranomasom-po, anaty fahavaratra, hirifiry lava, fitoetran’ny tomany. Tinazako ianao, nanoroka ny molony, nijinery ahy, tanaty jery miavona. Hitako ianao, nihazona ny sorony, ka dia vitanao, namel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/akohovavy-maneno
AKOHOVAVY MANENO…
RRAG
AKOHOVAVY MANENO… Manana fo toa anao ihany! Mitepo, marary, mahatsapa mijaly. Maniry fitiavana tsy misy takalo. Saingy ny hafa, mihevitra azy ho fahavalo! Satriny hiandry ny dingam-boalohan’ilay olon-tiany, izay vao hiaiky ny tora-pitiavana. Saingy tsy hiriny, ny tsy fahasahiany, ka mila azy hanokatra ny sori-d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-zaridainany
NY ZARIDAINY.
RRAG
NY ZARIDAINY. Vao maraina dia mivetso, misiosioka mangina, eo ambony sezavato, afovoan-jaridaina. Ilay raozy iray misento, fa nilaozan’olon-tiana, noho ny setran’ny ankaso, tamin’ny omaly vao maraina. Latsa-dranomaso irery, manembonembona ny tiany, ka hany zary mitsianjery, ny vinavinam-paniriany. Dia ny hitosy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ialao-fa-vadinolona
IALAO FA VADIN’OLONA…
RRAG
IALAO FA VADIN’OLONA… Efa teny an-tratrany, tsy nirako-pitafiana. Nanala ny an-koditra, notineren’ny faniriana. Efa nahavita, ny hadalana tsy tambo isaina. Efa reraky ny natao, izay vao tonga saina! Ny safosafony amin’izany, toa tsy foinao mihitsy. Ny orokoroka nataony, angamba mamy. Nefa toa nodianao tsy nisy, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-fiarako
ILAY FIARAKO…
RRAG
ILAY FIARAKO… Namako iny, rafi-tanako ihany koa, tsaratsara tefy, fa dia tsy miloko. Namako iny, tsy foiko ato am-po, ‘lay sahy, namefy ny toloko. Tsy mana-namana aho raha tsy iny, fa ny hafa miafina ahy. Iny ‘lay namako fahiny, nahay nitaiza ny fanahy. Nahay nizara alahelo, nahay nihaino ny tomaniko. Ilay n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ferini-neny
FERIN’I NENY…
RRAG
FERIN’I NENY… Raha nangina aho dia nijery tsy satry, ny fon-dReny naràtra! Raha nangina aho tsy hoe, nahatanty ireny ary koa nahazaka! Fa mba trotraka ihany, toa anao koa, ka nahatsapa ny jaly, izay nentin’ny fo, nangina irery, resin’ny tomany! Raha nangina aho tsy hiteny, tsy hoe tsy te mba hijery, ny ferin’i Ne...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ialahy-dia
ANY IALAHY DIA…
RRAG
ANY IALAHY DIA… Any ialahy dia mba tsarovy, ataovy an-tsain’ialahy hatrany. Ny foko aty malahelo, fa tsy te handatsaka tomany. Any ialahy dia mba ataovy, ataovy kalom-po mangina. Fa any ilavitry ny vetso, misy ahy ‘lay olon-tiana. Ny alina aho anaty nofy, hisafo tava hanorokoroka. Ny antoandro aho solon-drano, ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na
NA…
RRAG
NA… Na mangina aza ny any, aza atao ho sakanao, ny mivetso ny hamamy, mitoetra am-ponao ao. Ka na ilavitra ny any, dia ataovy an-tsaina foana, fa tsy hisy avy izany, fo hangina ka hisaona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-tsy-tafatombina
FITIA TSY TAFATOMBINA…
RRAG
FITIA TSY TAFATOMBINA… Tsy banga, toa tsy feno, ny masoko variana, mitazana ny lasa. Ny antsoko, tsy heno, ny foko manin-tiana, manina ny kasa. Saingy lasa ianao, toa hoe: “Tsy ho namako intsony”. Lasana nandao, tsy nanao veloma akory! Dia tavela irery, miandry anao hiverina, sanatria, sanatriaviko, ny hanery f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-maintsy-hiteny-foana-aho-raha
TSY MAINTSY HITENY FOANA AHO RAHA…
RRAG
TSY MAINTSY HITENY FOANA AHO RAHA… Tsy maintsy hiteny foana aho raha, mbola misy fo mangina, mitomany malahelo, fa nilaozan’olon-tiana. Tsy maintsy hiteny foana aho raha, mbola misy fanahiana, mitoetra ao anaty, ka manahy ny tsy ho tiana. Tsy maintsy hiteny foana aho raha, misy vava avela hisokatra, nomen’ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ariary-zato-tota
ARIARY ZATO TONTA…
RRAG
ARIARY ZATO TONTA… Ny fiainana toa miendrika onja, miovaova hery hatrany. Indraindray aza dia mamonja, sy mandatsaka tomany. Ny anio ‘zay tiana hohanina, trosa aloa rahampitso. Raha tsy izany tsy hinan-kanina, na hinana ihany fa masiso. Ny maraina vao mifoha, indrisy fa, milanja angady no azo atao. Nefa hahi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/secret-antsika
“SECRET”-ANTSIKA…
RRAG
“SECRET”-ANTSIKA… Ireny fa toa vaky, ren’iray tanàna, ny “secret”-antsika. Nikaoka tao anaty, nilaozana hafanana, nitoeran’ny hatsiaka! Ireny ny tahiry, nipoitra moramora, avy any an-dava-panafenana. Toy ny voa nitsiry, mamaky moramora, ny tany nandevenana! Ireny fa nivoaka, tsy tanam-boaty intsony, ny “...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafatra
HAFATRA…
RRAG
HAFATRA… Raha te ianao tafita, hahatratra irony tanjona, dia ny fianaranao, no aza atao hatsirambina. Fa io ihany mantsy, no tohatra fiakarana, ka noho izany, hajao ny fianarana. Ny hafatra hampitaiko, dia momba ny fianarana, satria io ihany, no foto-pandaharana, fanoritan-dia, hikatsaka ny soa! Io irery ihany,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nomena
NOMENA…
RRAG
NOMENA… Anio dia, hatopiko ny masoko, hiverina hijery, ny fiainana fahiny, nisy soratrao, voatonta anaty boky. Harosoko ny dia, hizorako ny lalako, ny vavako avelako, avelako hiteny, ny lasako, sy anao, narafitry ny toky! Anio dia, hatolotro ‘ty peratra, mari-pahatsiarovana, irony lasantsika, feno fifaliana, t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miezaka-aho
MIEZAKA AHO
RRAG
MIEZAKA AHO Niezaka aho no nanontany, fa tsy nahazo izay mba valiny! Niezaka aho ny nitomany, fa tsy nahita izay maminy! Nefa ny aiko dia efa sasatra, niandry anao ny hiverina. Renoky ny torimaso, sy ‘reo lasa nitamberina. Miezaka aho ny mamoy, ireo lasa izay niarahana. Fa misy ora fohy dia fohy, tsy foiko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-amboarakely
TENY AMBOARAKELY…
RRAG
Fahatsiarovana manokana an’i Antsa ity tononkalo ity! Tsy izy mivantana no tena horesahina fa ilay fiangonana katôlika “Notre dame de l’assomption” Amboarakely Ambatolaona. TENY AMBOARAKELY… Nisy fononteny napetraky ny lasa, teny Amboarakely! Nisy fahatsiarovana tsy mbola voafafa, ninia nitoetra teny! Nisy tsikit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandimby-tsy-satry
MANDIMBY TSY SATRY…
RRAG
MANDIMBY TSY SATRY… Tsy afaka haninona aho ry zoky malala, mandimby tsy satry ny anaranao. Na tsy ho efako aza, ka tiako ny hiala, ny foko tsy sahy, toa tsy azoko atao. Tsy ianao no hoe lavo, na tena efa reraka! Efa maro ny vita, saingy misy tsy tanteraka. Dia anjarako anio, ny mamita ireny. Ry zoky malala ô! A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/daty-sarobidy
DATY SAROBIDY…
RRAG
Andro sarobidy tsy maty am-pon’i Neny ‘lay nahaterahanao! Nahazo zazakely, tiana sy lalaina, kanto toy izao! Iraika amby telopolo martsa, roa amby sivifolo sy sivinjato sy arivo! Toa fahasoavan-tsy voarefy, hoe am-polo, aman-jato! Eny an’arivo! Fotoana tsy voafafan’ny ankaso nisetrasetra iny datin’andro iny! Nandr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hiteny-aho-ampy-izay
HITENY AHO, AMPY IZAY…
RRAG
HITENY AHO, AMPY IZAY… Ry fireneko mamiko, nangina aho fahiny, nitazantazam-potsiny, izay nahazo anao. Fe ankehitriny, mba ho an’ny taniko, hitsangana aho, fa tsy hanaiky izao. Maro ireo maty, nianjera teo imasoko. Rotiky ny bala, niandry ny antsoantsoko! Izay antsoantsom-panafahana, ‘ty fery tao anaty. Mizoga ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/je-taime
“JE T’AIME”…
RRAG
“JE T’AIME”… Mibitsika mangina, anaty efi-poko, ny herin’ny fitiavana. Milaza faniriana, zary toa tsy foiko, ny endrikao rahavana. Ny hantahantanao, arahanao fiangoty, no kintam-pahazavako. Tiako foana ianao, tsy asiako “doute”, fa tokan’ny fitiavako! ‘Reo “souvenir” mamin’ny fiarahantsika, no reko mitamberina. N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lapanny-fo-manantena
LAPAN’NY FO MANANTENA…
RRAG
LAPAN’NY FO MANANTENA… Lapa miavaka, rova tsy foiko! Tontolo miravaka, ny aingan’ny foko! Fanilo nandrehitra ny fanantenana! Afo nandevona ny hadalana! Lapan’ny fo, izay manantena! Lapa najary, ho fakam-pirenena! Ho sata ijoroana, sy ho foto-dalàna! Lapan’ny fon’ireo mahalala! Lapa miavaka, kanto indrindra! T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/asio-sioka-kely
ASIO SIOKA KELY...!
RRAG
ASIO SIOKA KELY...! Tinazako ianao, mijinery lanitra, mitsikitsiky kely, kantokanto ery, izato tavanao, mirana finaritra. Njay, toa mahate ho tia! Mambabo ny fijeriko, manaitra ny aty fo. Nanova ny fiteniko, hoe 'ndao mba hiara-droa. Fa tiako sahady ianao, ilay vao notazaniko. Eo anilanao no, misy ny akaniko! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/cahier-de-souvenir
“CAHIER DE SOUVENIR”!
RRAG
“CAHIER DE SOUVENIR”! Narafitro ho hira, any anatin’iny, ny anaranao. “Cahier de souvenir” hatramin’ny fahiny, ‘lay misy sarinao. Sary tsy miloko, sady efa tonta, saingy! Mahameva ny endrikao. Sady “cahier” tsotsotra, toka-mitahiry ny mombamombanao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/un-cur-perdu
“UN CŒUR PERDU”…
RRAG
“UN CŒUR PERDU”… “Un cœur perdu”, mitady ilay fitia. Eto amorom-patana aho, no injay mahatsiaro andrỳ! Mitanisa irony lasa, tsiaron’ny fahiny. “Un cœur perdu”, malahelo ilay tiany. “Un cœur perdu”, ho an’ilay “chérie”. Ny foko torotoro, no manoratra ity, tononkalo tokana, tsiaro irony lasa. “Un cœur perdu”, man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandria
MANDRIA!
RRAG
MANDRIA! Zandry, etsy matoria, eo ianao mandria! Aza miteny intsony, aleo ny fo hitony! Misetra ve ny fasana, mamongatra ny lasana, misintona ny aina, ka mampitaraina? Antsa, etsy matoria, eo ianao mandria! ‘Njay toa resi-tory, ka tsy mahatsapa ory! Mandria ry sombin’ny aina, hampitonio ny saina! Mangina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hanoratra
HANORATRA!
RRAG
HANORATRA! Na dia taratasy maro, tsy mba nisy valin-teny, no nalefany ho anao, isak’izy mahatsiaro. Dia tsy nahakivy azy, ny manoratra toy ireny, isan’andro vaky izao, mba hamerina ny tsiaro. Na ny ranomaintiny aza, no lanilany foana teny, nandrafetany ny ainga, nitoetra tao am-pony. Na dia voarainao, fa nodiana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/olivah
“OLIVAH”…
RRAG
“OLIVAH”… Misora-tsy voafafa, anivon’ny diary, ny anara-nofinidy, tinendrin-Janahary, nosaloranao, tanivon’ny batemy, izay noraisinao, teny Amboarakely! Tinefy tsy voaempon’ny eritreri-dratsy, ny fanahinao, nandray ity fitafy, nihosotr’ilay menaka sy namafazan-drano, narahan’ny pretra, vavaka! Tso-drano! “Oliv...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-dingana-voalohany
‘LAY DINGANA VOALOHANY…
RRAG
‘LAY DINGANA VOALOHANY… Fantatrao fa mamatotra ahy, ny tahotro sy ny henatro, hanatona anao, hilaza izay rehetra am-poko. Fantatrao aho fa tsy ho sahy, ny hanokatra ny molotro, ka haneho aminao, ‘lay fitiava-nokoloiko. Fantatrao ny fahatahorako, ny hiroso haneho ireny, toky maro sesehena, ho porofon’ny fitiavako....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/levona
LEVONA
RRAG
LEVONA Raha mbola hisy fo, hisento sy hitomany, ka hisy hazavana, saronan-javona matevina! Dia ataovy an-tsaina, fa tsy mifarana izany, raha tsy ny tany, mihitsy izao no levona! Raha mbola hisy fo, haràtra ka hamery, na mbola hisy kintana, hisingana irery! Na hisy koa fitaka, handrakotra ‘reo teny, dia a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ranomasoni-antsa
RANOMASON’I ANTSA…
RRAG
RANOMASON’I ANTSA… Hoy i Neny hoe mangina, fa aza mitomany akory! Hoy i Neny hoe midinà, etsy anie fa hotrotrony! Etsy koa mba hofihininy, izato silaky ny aina. Hobabeny sy hovimbininy, ny vesatra entin’ny saina! Avelao mba hofafany, ‘ty ranomasonao mirotsaka! Etsy re mba hanalany, ny entanao tena mavesatra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mety-hisy-ve
METY HISY VE?
RRAG
METY HISY VE? Mety hisy ve fitia, any anaty valifaty, handresy irony hatezerana, notinefin’ny teti-dratsy? Mety hisy ve fijery, hiaiky ny lazain’ny fo, eo anivom-pahasorenana, sy ny fahavakisan-doha? Mety hisy ve mpitazana, tsy hanakia-mpilalao, rehefa sendra ady mazana, na koa loza mitatao? Mety hisy ve n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foza-ve
NY FOZA VE?
RRAG
NY FOZA VE? Zary anaram-petak’ireo mpivarotena, zazavavin’ny alina. Zary lasa vesatra, entim-pirenena, anaty lava-dalina. Karazaram-biby, tia miaro tena, sady malaky malona! Saingy lafovidy, tsy zaka-mpitondratena, mikatsaka ‘zay hohanina. Zary esoeso, entin’ny mpanohitra, hisoketaina ny mpitondra. Teny mihetrake...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-sarinao-no-sisa
NY SARINAO NO SISA…
RRAG
NY SARINAO NO SISA… Teboka namarana ny vina nokinendry, ny setrasetram-piainana nentin-daha-tendry! Baraingo tsisy valiny ny tomboky ny lasa, voatery nofafan’ny dinga-nokinasa. Indrisy haizin-kitroka tsy nisy mba fanilo, no nanakon-kazavana tam-pototry ny jiro! Fasan-drary vato no solon’ny akany, ‘zay fetram-pi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/29-jolay-1992
29 JOLAY 1992…
RRAG
Manembona mafy ny lasa fahiny, ny foko ‘zay resin’ny fahakiviana! Nahoana loatra ny tody sy tsiny, nandrava ny nofy sy ny faniriana? Andro tsy maty am-po mahatsiaro, ny fahasivy amby roapolon’ny volan-jolay! Taona tadidy tsy lefin’ny maro, roa amby sivifolo sy sivinjato sy arivo, izy izay! Nandray fahasoavana n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iriko
IRIKO…
RRAG
IRIKO… Iriko tsy ho foana, tsy ho ravan’ny anio, ny tantara noraketina, nosoratan’ny omaly! Iriko tsy ho foana, tsy ho ravan’ny anio, ‘reo aina izay nafoy, ka nototofan-tany! Fa satriko izy ireo, hipetraka sy hitoetra, mba ho fanarenana, ny atin’ny fanahy! Ka hanohan’ireo, izay resy sy matahotra, very fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/antsa-lasa-koa-i-nenibe
ANTSA Ô! LASA KOA I NENIBE…
RRAG
ANTSA Ô! LASA KOA I NENIBE… Resy indray isika, tinapaka ny tohatra, tsy ilavitra akory, dia lavon’ny adim-piainana! Lavo indray isika, tsy tafani-bohitra, tsy resi-tory akory, fa resim-pitarainana! Ry Antsa ô! Lasa koa i Nenibe, ‘lay foto-nipoirana, foto-pisiana. Lasa koa izy, lasana nandeha, ka hazo efa boboka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ela
ELA…
RRAG
ELA… Volana baliaka, mampatsiahy ny omaly! Namafa ranomaso, noraketin’ny ela, ‘zay niarahantsika, tan-kafaliana sy tomany! Io volana io ihany, no hany mba tavela. Volana baliaka, tambesatry ny lasa! Ranomasom-panembonana, narahana tomany, ilay velomantsika, tsy tahaka ny nahazatra! Ranomaso lafovidy, no nanaron...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rakotondravao-tsiorinirina-antsalalaina
RAKOTONDRAVAO TSIORINIRINA ANTSALALAINA
RRAG
RAKOTONDRAVAO TSIORINIRINA ANTSALALAINA Tsy ory fa nirina, ‘lay Antsa nolalaina. Sila-paniriana, sombintsombin’ny aina! Tsy ory toy ny fo, fa miavakava-toetra. Safidin’olon-droa, tsy ory na voafetra! Nirin’ny fo miray, ‘zay fo mitepo anaty. Olon-droa ‘zay tafaray, no naniry azy mafy. Antsam-peo manako, re...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tebiteby-tsy-fanta-piaviana
TEBITEBY TSY FANTA-PIAVIANA
NY HERIMAR
TEBITEBY TSY FANTA-PIAVIANA Tebiteby tsy fanta-piaviana Mandrebireby ny fanahy; Tsy hay marina izay ahiana, Mamelombelona ahiahy. Tebiteby tsy fanta-piaviana Mampanelo-tena samirery; Tsinontsinona mahavariana, Hain'andro mahela fery. Tebiteby tsy fanta-piaviana Ahatsiarova-ny lasa fhiny; Mpizaika lavitr'olon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anireo-mijaly
HO AN’IREO MIJALY…
RRAG
HO AN’IREO MIJALY… Inty mba misy amboara, omeko anao mijaly! Inty mba misy vetso, ho anao ‘zay mitomany! Mangina fa tsy ho ela, dia ho ravan’ny anio, ho levony sy ho totony, ny herin’ny tadio; Ireo minia manarona, ny masoandrom-piainanao! Ireo hery izay manery, anao ny hitalaho, nefa dia mamatotra, ny ainao tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/siokanao
SIOKANAO…
RRAG
SIOKANAO… Misioka moramora, reko anaty nofy, manafosafo ny aiko, ‘zay efa toa farofy! Ny siokanao! Toa sioka mampahery, mitantana ny diako, mihazona ahy tsy ho very! Ny siokanao ry Antsa, toa sioka fahatsiarovana, ‘reo andro niarahana, voatery ho fandalovana! Ka io sioka io, no reko ankehitriny, siokan-jandriva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anarana
ANARANA…
RRAG
ANARANA… Miangola toa sary, tonta fa sariaka! Miram-palifaly, anaty hakantom-bika! Midola dia mitsiky, misioka arahin-kalo! Tsy maniry ny tsy misy, ka hanangam-pahavalo! Manam-po mitepo, mitia sy mankahala! Misefo sy mivetso, niarahana nahalala! Tinazana ny toetrany, fa fitia tsy nisy fetrany! Antsa! Ant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lasa-izy
LASA IZY…
RRAG
LASA IZY… Taona roa no indro vitany, fa izy lavo amoron-dalana! Ny iray avy aza tsy voadingany, nianjera tan-tsampanan-dalana; ‘Lay Antsakely zandrinay! Lasa tsy niera, tsy niteny akory. Nandao ilay fiadanana, ‘zay mbola resi-tory. Vonton-dranomaso, nizaka izay natsatso. Nihinana ny ngidiny, nilaozanao tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/04-nvambra-1994
04 NÔVAMBRA 1994
RRAG
Raha azoko natao, ny nanakana ‘ty andro! Raha azoko natao, ny nampitony ity masoandro! Tsy mba niandrasako akory, fito ambin’ny folo taona lasa, fa avy dia novonoiko, nodoroako ho tsara fafa, ‘lay andro niononako, namoizako anao! Raha azoko natao, ny nanery an’Andriamanitra! Na koa, azoko natao, ny nitrerona ny l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/krismasy-1965
KRISMASY 1965
Fredy Jaofera
Tamin'izay fotoana izay, asa loatra ity nitaratra fa nisy aloka anankiray nampipoaka ny varatra ? Dia nikimpy teo tsy nahy 'lay sarobidy nantenaiko ka 'zany foko sy fanahy, sady ory no tsy haiko. Dia alahelo no nitaona 'ty mba datim-pifaliana ka ny foko no nisaona tao anaty fahakiviana. Veloma teo ilay reny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-ihomehezana
AZA IHOMEHEZANA
Fredy Jaofera
AZA IHOMEHEZANA Aza ihomehezana 'lay olona maty an-drano raha mbola tsy niampita toa an'iny fa dia hakelezana izany tsy nahita angano ka sao hanody sy hahazo tsiny !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-antsa-mitomany-i-neny
RY ANTSA, MITOMANY I NENY…
RRAG
RY ANTSA, MITOMANY I NENY… Ry Antsa! Mitomany i Neny! Mitomany mangina, dia manadino ny andro, nahamalomalok’endrika! Dia mangina tsy miteny! Ka manome tsiny, ny taratry ny masoandro! Mitomany i Neny, misentosento irery, ery an-jorontrano! Mitazana mijery, ‘lay vola-mibaliaka, mpiambina anao! Toa tsy mba namaly...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-hirany
ILAY HIRANY…
RRAG
ILAY HIRANY… Tsaroako ilay hira fiventin’i Antsa, fampatsiahivana ny tsiaro fahiny! Tsaroako ny gadony arahany hanta, tsy mihira iny izy raha tsisy ny antony! Ry Neny hoy ny feony, injay fa mikalo! Tsy hamakian-tonony, fa vita tsianjery! Ry Neny aiza ianao, hoy ‘ty feony milanto, mihira mangina, dia miteny irer...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/isika-mianakavy
ISIKA MIANAKAVY…
RRAG
ISIKA MIANAKAVY… I Dada miramirana, toa faly sy sahirana! Mahita antsika zanany, mameno ny hasambarany! I Neny falifaly, na dia mahare mijaly! Anaty fihafiana, sy tokantrano tiana! I Hery lasa nianatra, niaraka amin’i Haja! Izaho sy i Antsa, nanao kibasy am-bava! Isika mianakavy, miadana, finaritra! Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/31-martsa-1992
31 MARTSA 1992
RRAG
NOFIN’NY FOKO… Hoavy ‘lay andro, hifohazan’ny foko, hitsiry fitiavana, tsy hatahorana hiofo. Fitia tsara voatra, sy mafy fototra, na sedra na olana, tsy hahavita hanototra. Fa vao mainka aza, hamoaka ‘lay sompitra! Hilaza ny foko, fa misy hazavana, mipoitra maraina, mitondra hafanana. Miboko mangina, ‘lay foko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/malagasy-mitaky-nosy-atody-mety-ho-vato
MALAGASY MITAKY NOSY, ATODY METY HO VATO…
AbouNusrayni
MALAGASY MITAKY NOSY, ATODY METY HO VATO… 1.Atody miady amam-bato, Ve isika raha manohitra? Ireto mpanjanaka tsy miato, Taranaka mpanani-bohitra. 2.Tsy mba nandefa akory ry zareo, Na dia mba minisitra iray, Na de ho fanajana fotsiny, An’ Atoa Praiminisitray. 3.Fa dia tena ambasadaoro, Ny traikefany tsy lavina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-no
IZA NO…?
RRAG
IZA NO…? Iza? Iza no hahafehy? Iza no hahavita? Iza no hiaiky, fa tena vitsy an’isa, ‘reo fo mahay mitia? Maro tsy hay hisaina, ‘reo olo-mankahala, ny fohazan’ny maraina, ka tsy te hahalala, izay hazeran’ito alina, anaty haizin-kitroka, sy izato lava-dalina, mety hahaditsoka; Kanefa ireo minia, manarona n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangina-fa-aza-mitomany
MANGINA FA AZA MITOMANY…
RRAG
MANGINA FA AZA MITOMANY… Mangina, fa aza mitomany! Mangina, fa i Zoky eto ihany, eto anilanao, eto hampitony! Aleo izy ho any, ka aza asiana lonilony! Mangina dia etsy koa fafako, izato ranomaso, manarona ny tava! Mangina izato zandriko, dia aza miady aminy, na koa manoka-bava! Aleo izy hiteny, aleo koa haneso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-sezany
NY SEZANY…
RRAG
NY SEZANY… Eo am-pen’i Neny, eo an-tratran’i Dada! Eo no seza, sezan’ilay zaza! Jiro nanazava, ny haizin’ny alina, kanefa sary sisa, no mahamanimanina! Seza hafakely, miendri-bolamena! Fanilon’ny mpijery, tsy dia ilàna harena. Seza tsy miloko, tsy mifidy tava! Kintan’ny alina, vola-mpanazava! Seza maro mpanana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nisy...-raha
NISY... RAHA...!
RRAG
NISY... RAHA...! Nisy fery maimbo, izay nankaleo ny fo, teny an-kianja, fiarahan'olon-droa. Ka nahakivy anao, nahatonga anao tsy hitia, fa hoy ianao mantsy hoe: “Fihatsarambelatsihy”. Fitaka sy habobo, ny toky sy ny dina, hadino anefa ireny, raha misy mahavariana. Na mety koa hiniana, hitsahan-tsy misy antra. D...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sisanamboa
SISAN’AMBOA…!
RRAG
SISAN’AMBOA…! Any anaty nofy any, misy olon-tiana, tena tia tokoa ka, satry tsy hisarahana. Any ho any koa no, mitsiry ireo faniriana, nifamatoram-po, sady nampitambatra. Any anaty nofy any, misy safo lafovidy, tsy taka-bolamena, fa dia takalo aina. Saingy mifaningotra, ny anjara sy safidy, ka mahavaky fo, sy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-adinny-poeta
NY ADIN'NY POETA...
RRAG
"Eny anivom-panoratana no ahitana ady vao, fa tsy efa anefa ireny raha tsy eo koa ianao". NY ADIN'NY POETA... Ny miaramila dia, hery fiarovan’ny tanindrazanao. Indraindray aza, herim-pamoretana, izao rehetra izao. Am-basy sy an-tafondro, ireharehà-mpitondra. Tanjaky ny mpanana, sy entiny mamonja! Entiny hambanian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nitia-fa
NITIA FA...
RRAG
NITIA FA... Nahoana ianao ry fo, no mitia izay tsy tia? Nahoana ihany koa, no mikiry hiara-dia, amin'olona nandrava, ny vinavinanao? Fa rahoviana ianao e? Rahoviana vao ho lao? Nahoana ny anjara, no tsy nanaiky ho namana? Nahoana ianao 'lay lahatra, no hoe nanasa tanana, nefa anie mba tia, tena tia loatra izy? ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado_albert/ilay-tiko
ilay tiko
rado_albert
tsy aiko ny anatinao any fa babonao ny aiko ianao irery hatrany no masaka ato an-tsaiko toy ny tsy fahafoizako ahy ny fitiavako anao ka iandry aza manahy fa tsy ataoko kilalao vonona ny hitia sy hanolokolo anao mandrakizay doria sy hatramin'izao ianao ry tiko ilay efa nantenaiko olona efa niriko mba hamp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/malagasy-ianao-o
MALAGASY IANAO O?
RRAG
MALAGASY IANAO O? Vao miloa-bava ianao, raha sendra nisy nanontany, dia mamaly tsy mihafa, sy toa miteny avy hatrany, hoe: "Malagasy volon-koditra, Malagasy ranoray". Malagasy fiaina ianao, nefa ve mba tena izay? Sahinao ve ny hireha, fa Malagasy Ray sy Reny? Sahinao ny hilaza, fa mbola am-pomba sy fiteny? Ka ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nanoratra-ho-anao
NANORATRA HO ANAO...
RRAG
NANORATRA HO ANAO... Notinezeranao, ny tenako ry tiana, fa hoe: “Izaho hono, aty dia toa variana, ka nanadino anao, sy ny amintsika”. Nefa anie malala, mba niezaka aho nampita; Hafatra an-taratasy, natokako ho anao! Hafa-manamafy, ny fitia anatiko ao. Saingy niandry valiny, toa tsy nisy mihitsy. Ianao nibedy ah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-fahafahana
I FAHAFAHANA…
RRAG
I FAHAFAHANA… Ninoninona ho ambara? Ninoninona ho lazaina? Ny fahafahanao tsy akory, hanosenao ny an’ny hafa! Ka hisy indray any ho any, olon-kafa hitaraina. Toy irony fihetsikao, nizaka fery tefin-dasa. Tsy ny zo hanananao, no hanitsahanao ny azy. Tsy ny tamberin-dasanao, no hikotreham-balifaty. Fa tsarovy, hin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manalokaloka
MANALOKALOKA...!
RRAG
MANALOKALOKA...! Nihatakataka ahy, ireo havana rehetra! Nanositosika ahy, tamin-kery tsisy fetra! Ny hany tonga tato an-tsaiko, dia ‘lay Ray tsy manadino! Ny Reny nipoirako aza, nanilika ahy toa tsy nampino! Moa izy teto tsy nanaiky, fa tsy meloka aho kanefa, mbola nofonjainy ihany, mbola narahan-tsetrasetra? Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-laitra
TSY LAITRA…
RRAG
TSY LAITRA… Raha mbola hatezerana, no sampana-manasaraka, dia ho foana ihany, raha ao ny zoto-po. Raha toa ka mbola velona, ilay fitia nampiaraka, dia mbola iray hatrany, ny fijerin’olon-droa. Raha mbola ranomaso, no nandrafitra fitia, dia hitsiry hatrany, ny fankahalana anaty. Na koa hoe ny ankaso, no nanakana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/masoandro-mpitaratra
MASOANDRO MPITARATRA…!
RRAG
MASOANDRO MPITARATRA…! Sarotra tombanana ny ao am-po, toy ny ivom-panantenana! Ao no fitobian’ny tsiambararoa, nitondra tara-pahazavana! Ao izao no mandry ilay fitia, mitondra fitonian-tsaina. Ao koa kay no miriaria, ny fankahalàna sy ny taraina! Sarotra faritana ny eritreri-tsaina, anaty alahelo! Saingy mis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangidy-kanefa
MANGIDY KANEFA…
RRAG
MANGIDY KANEFA… Kapoka firy no efa natonta, no mbola dodaina ‘reo vesatra hafa? Efa hafiriana aho no hoe boka trosa, ka tinerena handoa ‘rony lasa? Angamba kosa aho nanangam-pahavalo, ka hoe soketaina tsy hasiana hasiny. Nahoana anefa ny hafa no mivalo, dia izaho no lazaina fototry ny ratsiny? Ny fankahalana a...