url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/somary
SOMARY
Fredy Jaofera
SOMARY Somary hafahafa ny androko anio : toa tsy ampy tafa ka vangivangio ! Somary hetaheta mitady hafanana tsy tia « mahareta » fa dia tsy tamana. Somary hirahira mitondra tomany tsy mpamiravira fa sento hatrany. Somary horohoro ao anaty mangina, tsy mba mpanoro ny tena irariana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ferinaina
FERINAINA…
RRAG
FERINAINA… Voatsindrona ny aiko, raha vao niteny ianao. Naloto hatramin’ny saiko, raha vao nilaozanao. Tiako loatra ianao, saingy indrisy fa namela, ferinaina mitatao, zary rakitry ny ela. Voafitaka ny foko, raha vao nandà ianao. Foana hatramin’ny finoako, ny amin’izay hiverenanao. Tiako loatra ianao, nefa saingy toa tsy haiko, fa ‘lay ferinaina nentinao, dia nanamafy ny adin-tsaiko. Voasoketa teo imaso, ny fitiavana lanjaiko. Voaravan-tsedra niary ankaso, ireo dina nolalaiko. Na dia tiako aza ianao, dia tsy afaka aho hanohitra, ireo ferinaina izay nafafinao. Toa fery efa tafahoatra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/famatotra
FAMATOTRA…
RRAG
FAMATOTRA… Rojo mihazon’aina, tsy ho azon’ny fasana! Sakana mitàna, manosika ny lasana! Famatotra manambatra, mampiray ny any, sy ny aty, ny vetso sy tomany! Mangina loatra anefa, toa re ny siokam-borona! Ny antso tsy niantefa, na dia nisy ako! Fa injay niverina, sady tsy mba nisorona! Tsy mba nampilaza, fa avy dia nilako! Famatotra mamonja, ny fo roa tsy mba hisaraka. Fanalahidim-ponja, anjara masoandron-davaka. Ny fitiavana madio, ilay tsy mila sira. Ny fo miaina azy, matetika velon-kira. Ravaka tontolo, miavaka sy tokana. Famatotra ny aina, ilay mbola tia anao. Haingom-pitia, ilay ho anao manokana. Efa ela no nitsiry, ka vaky felana izy izao. Mihika mafy indray, ny fo ‘lay mitomany. Famatotr’aina izany, fery nentin-dasa. Miantso ny lanitra, miankohoka amin’ny tany: “Mba jereo ry Ray, fa vesatra ‘ty ràtra”. Famatotra manambatra, mampiray ny any. Saingy tsy nahasambatra, ‘reo fo ‘zay nitomany! Famatotra mamonja, ny fo roa tsy mba hisaraka. Toa nitondra onja, sedra iray nahavalaka! Famatotry ny aina ‘lay mbola tia anao. Nofy foana ny ahy, f’ianao efa lao. Famatotr’aina izany, fery nentin-dasa. Zoga entim-pasako, ilay nandevin-kasa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/menarana
MENARANA!
RRAG
MENARANA! Tsy nampoiziny ho ianao, ilay niladilady taminy, no hahavita ny handao. Tsy noheveriny ho ianao, ilay tokan’ny akaniny, no nahavita izao. Nametrapetraka azy, tanivon’ny oram-baratra, sy tsela-po nandoro. Ianao mihitsy, tsy afaka ny hifaka, no hitany namono. Ny afon’ny fitiavany! Menaràna maty, tsy menatra akory, mamadi-belirano. Tsy mety fay mihitsy, ny ratsy vitan-tena, izay nahitana angano. Nahidin’ny hafa, tao am-ponja an-taona, ny hetraketra-pony. Dia mody ny lasa, no lazaina nampisaona, ireo fo tsy nety tony. Kanefa ny hadalany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anio-aho-hametraka
ANIO AHO HAMETRAKA…
RRAG
ANIO AHO HAMETRAKA… Anio aho hametraka teboka tokana, hamarana pejy niantombohan-tantara. Anio no sokafako ny pejy manokana, handraketako ireo ainga sy amboara. Mangina ry lasa fafao ny tomany, ny hoavy jerena dia sahia mijoro! Ny anio re hatrehana fa aleo iny ho any, fa ‘zay sedran’ny lasana efa hikoro o! Anio aho hametraka diam-panondro, ahafahako miaiky fa ahy ianao. Tsy ataoko sonia fa dia ho lavotondro, no hifamatoran’ny voady vaovao! Esey ry lasa e! Manina ianao o? Toa mitaditady ahy ‘zay efa tsy any e! Izaho efa nandao ny lasin’ny talaho, ilay farany nangidy raha eto an-tany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloka/tokana-ny-fotokana-ny-sa
Tokana ny fo,tokana ny sa
Aloka
Tokana ny fo,tokana ny saina Ireo rehetra ireo samy miara_miasa Ka maniry iray ihany,fa samy manan'aina Tokana ny tanjona samy tia ho tafa Na dia teo ny tsato_kazo Tsy natao ho sakana akory Fa niara_niaritra ka samy mba nahazo Himbajinana ny apitso izay tsy anao akory MAVOANY
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/namana-mpinamana
NAMANA…! MPINAMANA…!
RRAG
NAMANA…! MPINAMANA…! Fony isika roa vao zaza, nilalao tandrefan-trano, no nanamafy fihavanana! Ankehitriny isika angamba, efa manan-tokantrano, dia tsy hanadino fa mpinamana! Fony izaho sy ianao, ny lela mbola toa nibada, tsy nahay niteny akory, hafa tsy hoe: “Aiza, i Dada?” Ary avy eo dia naka-tory, dia efa nofatoran-dahatra, hifameno toy ny lisy. Saingy indrisy ankehitriny, nofy ireny fa tsy misy! Lavon-tany ianao ka lavo, nakarapony hianjera. Resim-piainan-ka nalazo, tsy nahandry akory lera, fa nanarak’aina mihitsy, ny filavoan-defonao! Vata-mangatsiaka indrisy, no hitomaniako amin’izao. Namana, teny hifamatoran’aina! Mpinamana, fato-drà mamefy saina! Namana, tsy mba vitan’ny tokim-bava! Mpinamana, ilay voady tsy mba rava! Tsy mba lefin-draorao, tsy voazeran’ny talaho. Tsy voafingam-po, mandrangitra, fa voady amin’ny lanitra. Fony isika roa vao zaza, tsy nahay niteny firy, no nifamato-po handrava, izay sedran’ny hirifiry, tsy noheverintsika ho lava! Ankehitriny laha-pasana, no nandrefy ny alalina. Tendrin-dahatra mpandrava, no niezaka namalona. No niezaka namafa, fa ianao koa dia namana! Namako ianao, izaho sy ianao ‘lay mpinamana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lapino/efa-sambatra-hono-izy
Efa sambatra hono izy
Lapino
(Setrin'ny tononkalon'i Rado hoe Ambangovangony) Efa sambatra hono izy, raha vao niala taminao Dia nahita olon-kafa, Namany fony ankizy, mbola niara-nilalao. Efa sambatra hono izy, efa hadinony daholo Izay nataony ho voafafa, Ka sondriana izaitsizy mankafy ny tontolo. Efa sambatra hono izy, satria efa voafohany Avy tao anatiny ao Tafavoaka ny krizy ilay fitiavany voalohany Efa sambatra hono izy, foana tsy nisy intsony Ireo vazovazonao, Ka mionona izato izy, fa veloma hoy ny fony!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vato-mafana
VATO MAFANA
Fredy Jaofera
VATO MAFANA Vato mafana efa norarana no nahaliana ka nijaliana. Vato mafana sarotra alana efa nambara fa tsy tsara. Vato mafana tsy tia lalàna mpivadi-dela hatry ny ela. Vato mafana tao an-tanàna nandoza tokoa sy efa nahavoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hiraiko
HIRAIKO
Fredy Jaofera
HIRAIKO Hiraiko ny mafy nanefy ny taona hiova sy hanafy soa fa tsy saona. Hiraiko ny jaly nandreraka ery hiala ny omaly ho tonga ny fy. Hiraiko ny rofy nahazo ny tena hisinda ho nofy tsy hay fefena ! Hiraiko ny fery nahabe tomany, hivatsy ny hery sy mba ho lany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-voadinika
TSY VOADINIKA
NY HERIMAR
TSY VOADINIKA Vahiny sendra nandalo no nanarianao havana; Goaika tsy mahay rano no hany ve hireharehavana? Ny vao? Misosasosa, Ny ela tsy mba fanary; Voronkely tena kanosa, Resin-tambitambin-kary. Ny lakana raha voatsipaka, Mahalala mihemotra loatra Aza manendry tena ho voafitaka raha asainy mody any ankoatra. Ny soa atao levenam-bola, Ny ratsy atao ratsy ihany; Tanora miady amin-tsola, Manafohy ny ainy eto an-tany. Maroc.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nisy-tsikinao
NISY TSIKINAO…
RRAG
NISY TSIKINAO… Nisy tsikinao tsaroako, niserantserana nanaloka, ny eritreritry ny foko, ka nahatonga azy ho maloka, hampitamberina ny lasany, ilay nilom-pery iny! Hamoha indray irony kasany, izay nilanjany tsiny. Nisy tsikinao nanery, ny saiko tsy mba hanadino. Ka ny foko no voatery, handrehitra ilay fanilon’ ny fitiavana ao anatiko, izay lasa nitsilopy. Ny lavitra anao tsy tantiko, ka eo aho omeo toky! Nisy tsikinao niantoraka, tamin’ny foko tena tia. Tsy fitia niangoraka, fa tena vonona hiara-dia. Zary tsiky iray tsy foiko, mivezivezy an’eritreritro! Ianao no andry hany tokiko, tsy nandiso ny fiheverako! Fa tia ahy ianao, nasehon’ireto tsikinao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-fahendrena
AMIN'NY FAHENDRENA
Fredy Jaofera
AMIN'NY FAHENDRENA Amin'ny fahendrena no andrefesako azy fa tsy amin'ny vola toa tsy hay fefena, na hoy izy : " otazy raha maniry hidola." Amin'ny fahendrena no anavahako azy fa tsy amin'ny hery mbola mahasorena, na hoy izy : " fohazy fa laza tsy mamery ! "
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ny-tononkirako
Ny Tononkirako
Fidy Art Niaina
Ny ankizy milalao Eto antokotany Ahatsiarovako anao Lasa any lavitra any 'Zaho tsy mahita atao Variana mitomany ianao tsy ahitam-baovao izaho tsy afaka hanontany Ny tanana mankalao Nilaozako ny akany Veloma Antanambao F'izaho andeha ho any
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/ho-avy-ny-tompo-ho-anao
HO AVY NY TOMPOHo anao
Hajanirina Mahavaly
HO AVY NY TOMPO Ho anao izay kivy amin'ny zava-manjo Very hevitra ianao ka mamoy fo Mijoroa, mitrakà fa aza mitomany Ho avy amin'ny heriny ny Tompo hanafaka izany Tsarovy fa ny fiainana tsy hilaozan'olana Indraindray aza moa miha-mafy ilay fatorana Na izany aza anefa Kristy no jereo Fa izy irery ihany no hanafaona ny toreo Ho anao izay manjehy andro lava amin'izao fiainana izao Anio dia ny anio àry tapaho ny hevitrao Manolora tena hanao ny asa fanompoana Ho avy amin'ny heriny ny Tompo ka manàna finoana Aza variana miala bala mankatsy sy aroa Toa zary mandà ny antson'i JESOA Miantso anao Izy anio hanova fitondran-tena Ho vavolombelony handrakotra ny firenena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-akany
NY AKANY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
NY AKANY! fa mba nankaiza ny olon-tety no rindrina sisa tinazana ny vovonana indreo mikodia ny efitra toa ngazangazana ny rindrina no sisa mijoro fandrotsarana no haingo tanàna ireo tafo nianjera nikoro toa nilaozan'ireo tsy tamàna dia lasa aiza ny olona teto no avana sisa mitsangana? akany toa mpamelon-tsento sa ny havana kosa no lasana?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tafatafa-lasalasa-
TAFATAFA, LASALASA …
AbouNusrayni
TAFATAFA, LASALASA … 1.Mihamanana hatrany ny mpanana; F'izay tsy tafa taraiky eny ihany. Tsy maniraka hiravy tanana; Fa mampandinika fomban'ny tany. 2.Misy zavatra tsy be mpilaza; Ka tafajanon-ko tsiambaratelo. Ny fizarana izay mba sahaza; Anie maha-tsara ary koa mahavelo. 3.Misy manome ampahafolon-karena; Ka dia mahagaga ny fahatafitany. Fa mbola misy ny tsy azo resena; Satria am-pahadimy be zao no aparitany. 4. Isika variana ny mitazan-davitra; Mihevitra fa ny azy efa nifandovana. Tsy lavina; kanefa voarakitra; Ny zava-drehetra nisy fiandohana. 5. Efa hatrany am'ireo dadabeny; No mpanao soa amin'ny fiaraha-monina. Ny voa tsara nafafin'ireny; Hatr'aty afara tsy tapitr'angonina. 6.Na naterakin'ny olon-tsahirana; Ny atidoha hoatrin'ny itovizana. Amboaro ny saina hahita mangirana, Ny fahakiviana no tena mamizana. 7. Inona moa no mba tiako ambara? Tsy voatery hoe nangalatra ireo tafatafa. Izaho sy ianao mitsangana sao tara, Mbola misy azo atao mba hah'lasalasa. 19_11_19 (Sary mandrakotra: parking misy rihana voalohany eto Madagasikara?)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-noelin-draozy
NY NOELIN-DRAOZY…
RRAG
NY NOELIN-DRAOZY… Ny noelin-draozy! Fambara fahafatesana, fanao veloma aina, raha hamonjy vazy. Ny noelin-draozy! Tsy misy fiambesana, fa misy felam-bao, tinapaka sahady. Ny misasak’alina, fanehoan-taraina. Misy aza malazo, tsy mahandry ny maraina! Fa mivarahontsana, mihovitra miahotra. Ny noelin-draozy, fambara mampatahotra! Ny noelin-draozy, figogogogon’ny natiora. Ny voronkely aza, mangina tsy mihira. Misaona mitomany, miaraka amin’ny tany. Ny noelin-draozy, no fototr’izany! Ny noelin-draozy, isan-daha-Janahary. Mampiangatra ny lanitra, amin’ny zavaboary! Porofom-panavahana, misy eto an-tany. Ny noelin-draozy, no tena kianjan’ny tomany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/rava-fankahalana-ve-no-n
RAVAFankahalana ve no n
Hajanirina Mahavaly
RAVA Fankahalana ve no nasetrinao Ilay fitiavana natolotro anao Nitondra ratram-poko Sentosento sy toloko Fiatsarambelatsihy hoy ianao Nefa tena avy ao am-po No namborahako fitia Ho anao doria doria Na ho rava aza ny amintsika Tsy haiko ny hanadino anao Noho ireo zavatra efa vita Izay niarahana natao Tao ny ratsy , tao ny tsara Izay mipetraka ho tantara Tsy ho afaka ato an-tsaina Raha mbola velon'aina Tiako tena tiako ianao Nefa moa fitia tsy anjara Tsotra ny hafatro aminao MIFANKATIAVA TSARA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rango-peniko
RANGO-PENIKO…
RRAG
RANGO-PENIKO… Tomefy alahelo ny foko sy ny saiko, mahita anao tomany sy vonton-dranomaso! Hontsa tena hontsa ny atiko sy ny aiko, raha nahare fa, nisedra ianao ankaso! Dia nilavo lefona, nandreto-nitomany. Resin’ny fiainana, sy ny setrasetrany! Ka nigogogogo nanamando tany, fa valaka sy drodroka, raha ny eritreriny! Nandady izy! Nifona sy nivalo! Nahatsapa fahadisoana, vita taminao! Saingy ny fonao, efa nandray fahavalo, ‘ty olona nanitatra, ny ràtram-perinao! Nitolefika ianao! Nandatsaka tomany! Nisento varaventy, ho an’ilay tiana! Ny rango-peniko iny, no injay namafa jaly! Namaky an’iny ianao, dia indro fa variana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nitsiry-raozy
NITSIRY RAOZY…
RRAG
NITSIRY RAOZY… Namelana ny foko, nitsiry raozy mainty. Nolaviko avy hatrany, ny teny hoe tsy maintsy! Tsy tiako ny fitia, rakofam-panerena. Tsy laviko anefa, fa ao no ivom-pandemena! Nefa kosa, aoka tsy hisy tambiny! Tsy hamarotana safidy, ho varotra hambongadiny, na hanaovana, ny fo takalon’aina. Hahatonga azy indray, ho vakin’ny taraina. Namelana ny foko, nitsiry raozy mainty. Tsy ho ekeko akory, ny tery hoe tsy maintsy. Laviko avy hatrany, ny fanerena hitia, olon-tsy safidy, ka ho fihatsarambelatsihy. Fa tsy hisy akory, takalo sy dinika, toy ireo ‘ngeza, manimba ny madinika!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahasarotam-piaro
NY FAHASAROTAM-PIARO
Fredy Jaofera
NY FAHASAROTAM-PIARO Ny fahasarotam-piaro, rahavavin'ny fitiavana, tsy misinda ka fantaro fa misy tomandavana. Ny fahasarotam-piaro, mampitombo azy koa rehefa mampahatsiaro azy izany vao namoa. Ny fahasarotam-piaro, mpanaloka haravoana, mpanimba zava-maro tsy misy fandrosoana. Ny fahasarotam-piaro, aretin'ny olombelona feno sedra mifangaro mbola ilain'ny velona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/hantahantako
HANTAHANTAKO
Tara-masoandro
Hatory an-tratranao No mba tena faniriako ry volana eny ambony Hiara-tsambatra aminao, ka ho foana tsy hisy intsony Ireo nofy ratsy mankalao, Fa hitony an-tratranao Ny faka-lalin'ny fisiako Dia soloinao nofy mamy ireo ngidim-pahoriako Mba hitempo an-karavoana ilay aina anatiko ao... Izao oa ry volana eny ambony no mba tena fifaliako Dia ny hianta eo aminao toy ny zaza mila reny Te ho voarotsirotsy amin-kira sy amin-teny, Tena mamy toa tantely sady tena tiako. "Hatory an-tratranao" Izany no mba hantako ry volana eny am-bony...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hay-vorondolo-
HAY, VORONDOLO !
Fredy Jaofera
HAY, VORONDOLO ! Hay, vorondolo no nisidintsidina nitilitily im-polo vao nanodidina. Hay, vorondolo no niverimberina nandrava tontolo ka antitranterina. Hay, vorondolo no nihaodihaody hany ratsy volo sy nitazona aody. Hay, vorondolo no nanelingelina nandatsa daholo ny zavatra telina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ora/sitraka
SITRAKA
Ora
Fantatro izay inoako Mba fantatrao va re Fa an-taona marobe no nitalahoako Tsy ho voaveriko eto ‘Reo toloko sy ny sento izay nampitoloko Tao ny fahoriana Tao koa ny fijaliana, samy nampilofika Nisy ny adi-tsaina Izay nampiferin’aina nefa aho tsy nitanondrika Satria…… Fantatro izay inoako Tokana IZY tsy hosoloiko, tsy nanadino na oviana Tahaka ny tsy nisy akory ireny zava-nampahory, resy avokoa ny hakiviana ary ankehitriny izao mbola nihevitra ahy Ianao, nohenoinao ireny vavako Ray Tsitoha ô, misaotra anao! Mankasitraka tamin‘ilay valim-bavako Antananarivo, faha-22 Novambra 2019-07h23
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manja-toy-ny-anjely
MANJA TOY NY ANJELY
Fredy Jaofera
MANJA TOY NY ANJELY Manja toy ny anjely iny zanak'olona iny ka mampitepo kely ny foko ankehitriny. Manja toy ny anjely ka dia mahavariana fa tsy ratsy velively ny bika raha zohina. Manja toy ny anjely ka nahafinaritra ahy nofisiko ho modely hampety ny fanahy. Manja toy ny anjely ka mandrehitra fitia nataoko tsy hamely fa misy ny ho doria.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taratasy-iray
TARATASY IRAY
Fredy Jaofera
TARATASY IRAY Taratasy iray fony nifaly sy tsy nihovitra ny momba antsika no sisa tsy voarovitra fa hany voatahiry ao anatin'ireo tanatara narafitra ho antsika ho porofo tena tsara. Ny teny ihany sisa anio no lasa sy tsy re fa 'zay soratsoratro no mitoetra maro be milazalaza ho azy ilay fitia tsy imolotra, sady latsa-paka no tena mba natolotra. Ny sento indray anio no mampijafajafa ka oriory ombieny sy mila ho hafahafa, mila hararirary fa ireny andro fahagola miverina mangina no tsisy angolangola. Taratasy iray fony isika niombon-dia no mbola any ihany sy feno ilay fitia, feno fahatsiarovana toa niraradraraka ho an'izay tsy nino fa isika niaraka !...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fa-dia-nahoana-kosa
FA DIA NAHOANA KOSA?
RRAG
FA DIA NAHOANA KOSA? Fa dia nahoana kosa, ‘ty lahatra sy anjara, no tsy mba namantsika, nandrindra ny tantara? Fa dia nahoana isika, no tinerena tsy hiara-dia, ka tsy afaka ny hita, hampiray ny fitia? Fa dia nahoana kosa, isika no tsy avela hiray, tsy afaka ny hivoady, hifankatia mandrakizay? Ny hafa anefa anie e! Notinendreny hifankatia, fa ny ahy sy ny anao mihitsy, no nataony sanatria! Fa dia nahoana kosa, ny lalantsika no misaraka, ka izaho sy ianao, tsy atao ny ho tafaraka? Fa dia inona ary, hono izato fahadisoana, nahatonga ny fitiavantsika, nokendrena hofofoina?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/veloma-ry-zoky
VELOMA RY ZOKY…
RRAG
VELOMA RY ZOKY… Voafetran’ny lahatra, ny fiainan’ny tany! Voatefin’ny tendry, ny anjarantsika! Ny fo mbola hitsahatra, hitondra tomany, eo anoloan’ny vata-mangatsiaka! Ny fasana namana, fa foto-takaitra, nitondra ny fery, zoga tsy laitra. Namana akaikin’ny fahafatesana. Anjara voatendry, tsy afaka hilefasana! Veloma ry Zoky, raha tsy maintsy hifandao, ny sora-tahiry, raketiko foana. Veloma ry Zoky, veloma any ianao, fa anio aho hangina, hangina hisaona. Tsy hiteny akory, ny anatin’ny foko, tsy haneho akory, ny alalin-toloko, mihazona ahy, hatramin’ny ela. Eh! Veloma ry Rado, f’izaho ity tavela!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-ianao-saingy
TIAKO IANAO SAINGY…
RRAG
TIAKO IANAO SAINGY… Tiako ianao saingy, tsy afaka ny foko, ny haneho ankalalahana, ny fitia anatiko ao. Tiako ianao saingy, ny aiko toa tsy sahy, hanambara anao ny marina, ‘zay tahirizin’ny fanahy. Tiako ianao saingy, fantatro dia fantatro, ny fitroatram-poko, raha vao mahita anao, eny an-tratrany eny. Tiako ianao saingy, efa nolavin’ny efitro, ‘zay efitry ny foko, ny hanala anao, eny an-tanany eny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hambo-sy-di-doha
HAMBO SY DI-DOHA!
RRAG
HAMBO SY DI-DOHA! Mba nafafiko ihany, ilay vonin’ny fitia, nitoetra tao anatiko. Kinanjo nofy ihany, fa toa tsy mba naniry! Ny afony anefa, nandoro mafy ahy, ka hila tsy ho tantiko. Saingy toa tsy nety, tsy nety mba nitsiry! Notondrahako ihany ny zaridain’ny foko, mba tsy hintsam-bony. Kanefa tara loatra, fa tsy nisy iray namony. Tamin’irony raozy novoleko teny! Nantenaiko hitondra soa, kanjo izy ireo niady nifamono, ka tsy nitsiry akory, fa maty avokoa; Samy te hanjaka hihazona ny foko, saingy tsy nandinika, fa vao mainka aza, nanapaka ny tady, faka hifamatorana, ny adin’izy ireo! Ka mety hahatonga ahy, hanosika sy hanilika, azy an-jaridaina, sy mety ho tonga hatramin’ny teti-pisorohana. Eh! Toa nararako ihany ‘lay zezi-paniriako, hanatsara zaridaina. Saingy ny raozy mihitsy, no nandà ireny, angamba tsy ilaina! Dia potiky ny hambo, sy ravan’ny di-doha! Dia ankehitriny, maràtra koa ny fo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toratoraka-fitia
TORATORAKA FITIA…
RRAG
TORATORAKA FITIA… Mavesatra tsy zaka, tsy efa holanjaina. Mihiboka ao an-tratra, mitondra ny taraina, ilay fitia nitsiry, tsy afa-nampitaina. Ka mbola voatahiry, hatramin’ity maraina! Mitondra hafanana, zary afo iray mandoro, ny toraka fitia, nataoko taminao. Zary hadalana, mety mbola hamono, ny namela ilay tia, ho lemin’ny talaho.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-alina
NY ALINA!
RRAG
NY ALINA! Tsy andriko ny hifohazan’ny maraim-bao, raha vao madiva ny alina! Satriko foana ny hahita anao, na dia ny mamaton’alina! Fa ny hanitrao tsy foiko, manaraka ny orona, sy ny tanako nisafo. ‘Lay endri-tavanao mamin’ity foko, toa reko hoe, ilavitra ahy ny ankaso. Raha sendra eo ianao, ‘lay tokana tsy foiko, voninkazo tokam-poko, sady tokan-doko. Tsy foiko ilay maraina vao mihiratra ny masoko. Satriko ny andro, haraina eny foana, ka hanalavitra ahy ‘zay mety ho ankasoko. Noteren’ny aina, sy notinerin-taona, holanjain’ny foko, eo anoloan-tiana. ‘lay niandrandra tamiko, fahasambaram-po. Saingy ny azy sy ny ahy, dia nofim-paniriana, ka tsy mba hitondra, sy hizara zava-tsoa. Tsy tantiko hitazana, anao an-tratran’olona, resin-tsafosafo, sy tambitambin-teny. Ny masoko tsy te hijery, ny foko koa tsy vonona, toa tsy mba ho zakako, izany hoe irery. Ka tsy tiako ny alina, fa mampifanalavitra, ny akanintsika, ‘zay ratsiratsy fototra. Tsy tiako ny handaozan’ilay maraina vao, ‘lay ranon-doharano, nitondra irony sompitra. Fa aleoko indray aza, ny hadalako no hifototra, amiko ihany anefa, fa tsy hahazo anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tsikinao
NY TSIKINAO…
RRAG
NY TSIKINAO… ‘Lay tsiky toa jery, mamatotra ny masoko. ‘Lay tsiky tsianjery, tsy miala ao anatiko. Ny tsikinao, tsiky iray malefaka, nahababo ahy. Ny tsikinao, tsiky tsy mavesatra, fa zogan’ny fanahy! Ny tavanao mazava, toy ny taratra masoandro, arahin’ilay tsikin-jaza, eny an-tava isan’andro. Ny tsikinao, moa fahadisoako, raha nojinereko matetika. Tiako, nahababo ahy, ny tsikinao, narahinao ilay fihetsika, ka nanaitra ny atiko, sy nahataitra ny foko. Ny tsikinao, ny tsikinao toa tsy foiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-oroka-nitondra-fakam-panahy
‘LAY OROKA NITONDRA FAKAM-PANAHY…
RRAG
‘LAY OROKA NITONDRA FAKAM-PANAHY… Zavona natevina, nitondra oram-baratra, no nanarona tanteraka, ny lanitry ny tany. Ranomasom-po, anaty fahavaratra, hirifiry lava, fitoetran’ny tomany. Tinazako ianao, nanoroka ny molony, nijinery ahy, tanaty jery miavona. Hitako ianao, nihazona ny sorony, ka dia vitanao, namela ahy tan-trano. Toy ny lamba efa navalona! ‘Lay oroka nitondra, nitondra fakam-panahy, no fototra tsy fantatra, nandaozanao ahy. ‘Lay oroka nitondra, ny alahelom-poko, no zary herin’onja, hahatonga anao ho hafoiko. Ny ranomasoko nilatsaka, toa nihomezanao. Nanesoanao, ny alalin’ny fitiavako. Ny foko tsy nitsahatra, ny nitia anao, no varatra nalatsaka, tanivon’ny anjarako. ‘Lay oroka nitondra, nitondra fisarahana, no hany voatahiry, anatin’ity foko. ‘Lay oroka ‘zay zary, foto-pisarahana, no vony iray nitsiry, nandràtra ny atim-poko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/akohovavy-maneno
AKOHOVAVY MANENO…
RRAG
AKOHOVAVY MANENO… Manana fo toa anao ihany! Mitepo, marary, mahatsapa mijaly. Maniry fitiavana tsy misy takalo. Saingy ny hafa, mihevitra azy ho fahavalo! Satriny hiandry ny dingam-boalohan’ilay olon-tiany, izay vao hiaiky ny tora-pitiavana. Saingy tsy hiriny, ny tsy fahasahiany, ka mila azy hanokatra ny sori-dalana. Akohovavy maneno angamba hoy ianao. Manadala lehilahy, tsy menatra akory! Nefa moa ve koa, mba fantatrao, fa itsy farany, mbola resi-tory? Ka tsy rariny ve, ny hanehoany ny am-pony? Mety hoe, tsy anjara zony, tsy anjaran’ny vavy ny maneho fitiavana. Saingy izay tsy midika, midika fandàvana! Tsy fanekena ny laha-mipetraka, kanefa ny fony, efa toa ketraka. Reraka miandry ny dingam-boalohany, dia tsy rariny ve izy, handray ‘zany ho zony?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-zaridainany
NY ZARIDAINY.
RRAG
NY ZARIDAINY. Vao maraina dia mivetso, misiosioka mangina, eo ambony sezavato, afovoan-jaridaina. Ilay raozy iray misento, fa nilaozan’olon-tiana, noho ny setran’ny ankaso, tamin’ny omaly vao maraina. Latsa-dranomaso irery, manembonembona ny tiany, ka hany zary mitsianjery, ny vinavinam-paniriany. Dia ny hitosy an-jaridaina, eny an-tratran’ny malala, saingy hoavy ilay maraina, dia ny nofy ny azy hiala. Manimanina ny safo, orokoroka efa vita! Ankehitriny sendra tsatso, noho ny fitia tsy tafita. Fa voatery novolena, tsy ilavitra ny zaridainy. Saingy tsy afaka hotefena, fa fatoram-pitarainany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ialao-fa-vadinolona
IALAO FA VADIN’OLONA…
RRAG
IALAO FA VADIN’OLONA… Efa teny an-tratrany, tsy nirako-pitafiana. Nanala ny an-koditra, notineren’ny faniriana. Efa nahavita, ny hadalana tsy tambo isaina. Efa reraky ny natao, izay vao tonga saina! Ny safosafony amin’izany, toa tsy foinao mihitsy. Ny orokoroka nataony, angamba mamy. Nefa toa nodianao tsy nisy, fa ny hitolona azy ihany! Io fa tratra, tratra teo am-parafara. Farafaram-badin’olona! Io fa tratra, tsy nahalefa fa toa tara, mbola tratrany nitolona! Tsy tahotra tsy henatra, voatery ianao nilefa. Tsy nahangom-pitafiana, na dia iray akory, sao mantsy, ny angady no hiantefa. Toraka, izay arahin-donilony! Ialao fa vadin’olona, ity tolominao ity. Ialao fa vadin’olona, ‘lay notsinjarainao fitia. Ialao malaky teo, sao voazeran’ny kibay. Ialao dia, ataovy mahafay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-fiarako
ILAY FIARAKO…
RRAG
ILAY FIARAKO… Namako iny, rafi-tanako ihany koa, tsaratsara tefy, fa dia tsy miloko. Namako iny, tsy foiko ato am-po, ‘lay sahy, namefy ny toloko. Tsy mana-namana aho raha tsy iny, fa ny hafa miafina ahy. Iny ‘lay namako fahiny, nahay nitaiza ny fanahy. Nahay nizara alahelo, nahay nihaino ny tomaniko. Ilay namafa ny ranomaso, noho ny fery izay tsy tantiko. Ilay fiarako, rafi-“tôle” fanitso. tefim-pantsika natsatotsatoka. Ilay namako, tsy nanadino ny ampitso, iray rà ka mifamatotra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ferini-neny
FERIN’I NENY…
RRAG
FERIN’I NENY… Raha nangina aho dia nijery tsy satry, ny fon-dReny naràtra! Raha nangina aho tsy hoe, nahatanty ireny ary koa nahazaka! Fa mba trotraka ihany, toa anao koa, ka nahatsapa ny jaly, izay nentin’ny fo, nangina irery, resin’ny tomany! Raha nangina aho tsy hiteny, tsy hoe tsy te mba hijery, ny ferin’i Neny, nataom-piainan-teritery. Raha nangina aho tsy hoe, nitazam-potsiny ny lefo-natsatoka, fa mba nitroatra, toa an’i Neny, ilay sendra ady sarotra! Ny ferin’i Neny nozakainy, mba ferin’ny aiko hozakaiko! Ny tomanin’i Neny nolanjainy, tsy zakan’ny saiko raha lanjaiko. Ka raha hangina aho tsy hiteny, moa tsy toy ny olona kanosa a? Mba te hiady ho an’i Neny tiako indrindra, satria somary osaosa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ialahy-dia
ANY IALAHY DIA…
RRAG
ANY IALAHY DIA… Any ialahy dia mba tsarovy, ataovy an-tsain’ialahy hatrany. Ny foko aty malahelo, fa tsy te handatsaka tomany. Any ialahy dia mba ataovy, ataovy kalom-po mangina. Fa any ilavitry ny vetso, misy ahy ‘lay olon-tiana. Ny alina aho anaty nofy, hisafo tava hanorokoroka. Ny antoandro aho solon-drano, hanamandina ny molotra. Ny maraina vao mifoha, izaho iry tara-masoandro. Ny tolakandro aiza moa, raha tsy hanazava izato andro? Any ialahy dia aza hadinoina, fa ny foko tia foana. Any ialahy dia araho finoana, fa tiako ialahy, na dia tsy mihaona. Tsy ho foanan’ny fotoana, na ho foanan’ny elanelana. Ny antsoko hanako eny, tsy mba hisy sahy hisembana! Any ialahy dia izaho aty, samy manin’olon-tiana. Any ialahy tsy hoe sanatria, hanafoana irony dina, velirano sesehena, narahantsika toky ireny! Ka hahatondra fo diso fanantena, satria hany teny ireny. Any ialahy izaho aty, mino foana isan’andro. Any ialahy izaho aty, mitara-maso iry masoandro. Mijinery irony kintana, manatri-maso ny volana. Satria ialahy no anjara vintana, tara-masoandro sendra orana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na
NA…
RRAG
NA… Na mangina aza ny any, aza atao ho sakanao, ny mivetso ny hamamy, mitoetra am-ponao ao. Ka na ilavitra ny any, dia ataovy an-tsaina foana, fa tsy hisy avy izany, fo hangina ka hisaona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-tsy-tafatombina
FITIA TSY TAFATOMBINA…
RRAG
FITIA TSY TAFATOMBINA… Tsy banga, toa tsy feno, ny masoko variana, mitazana ny lasa. Ny antsoko, tsy heno, ny foko manin-tiana, manina ny kasa. Saingy lasa ianao, toa hoe: “Tsy ho namako intsony”. Lasana nandao, tsy nanao veloma akory! Dia tavela irery, miandry anao hiverina, sanatria, sanatriaviko, ny hanery fo hanenina, fa hoe nilaozanao, ka tsy ho tafatombina. Tsy hahazo akory, fitia sombintsombiny, avy aminao intsony. Fitia tsy nitombina, toa tsy tafatombina, tsy hita fiandohana, saingy tonga fiafarana. Manam-petra koa, raha mbola ferim-po! Fitia tsy tafatombina, mamatotra ny lasako. Fitia sombintsombiny, no fototry ny ràtrako. Raha toa tsy ho ahy ianao, dia faka tsy hitsiry. Ny tsy eo anilanao, toy ny raozy, maina tsy maniry!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-maintsy-hiteny-foana-aho-raha
TSY MAINTSY HITENY FOANA AHO RAHA…
RRAG
TSY MAINTSY HITENY FOANA AHO RAHA… Tsy maintsy hiteny foana aho raha, mbola misy fo mangina, mitomany malahelo, fa nilaozan’olon-tiana. Tsy maintsy hiteny foana aho raha, mbola misy fanahiana, mitoetra ao anaty, ka manahy ny tsy ho tiana. Tsy maintsy hiteny foana aho raha, misy vava avela hisokatra, nomen’ny lanitra hamboarahako, ny alaheloko niantoraka, nandràtra mafy ny tanaty. Tsy maintsy hiteny foana aho raha, tsy efa tampina tanteraka, ny nozinairina ankolaka, hampanginin-tsy hiteny, ka tsy avela ny hisokatra, ny molotro hiteny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ariary-zato-tota
ARIARY ZATO TONTA…
RRAG
ARIARY ZATO TONTA… Ny fiainana toa miendrika onja, miovaova hery hatrany. Indraindray aza dia mamonja, sy mandatsaka tomany. Ny anio ‘zay tiana hohanina, trosa aloa rahampitso. Raha tsy izany tsy hinan-kanina, na hinana ihany fa masiso. Ny maraina vao mifoha, indrisy fa, milanja angady no azo atao. Nefa hahita asa ve moa, izato izaho sy ianao? Dia mirenireny eny, manofinofy ny tsy ho azo. Indraindray anefa dia mahateny, hoe: “Tompo ô! Mba omeo na dia mangahazo!” Ariary zato tonta, tsy mba misy mety handray, no hany vola am-paosintsika. Nefa! Ny hanohanana mahamay. Manery hanao ny tsy fanao! Manery haka ny tsy an’ny tena! Satry aza izao dieny izao, dia mba hanana harena. Ka tsy hihafy izay sakafo, hanim-pitoloha hatrany. Ho azo hatramin’ny tena lafo, indrisy anefa, fa nofy izany. Dia mangataka no hatao, sao mba hisy hanome. Lazainy kamo izaho sy ianao, ny sasany aza mihomehy. Hany ka, ‘lay ariary zato tonta, no zary atao haingon-tsatroka. Mba hahazoana izay miavosa, saingy ‘ty andro indray no maloka. Injany fa, nirotsaka ny orana, hahandro fotsy izany anio. Satria iza moa izany ny olona, hamakivaky io orana io?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/secret-antsika
“SECRET”-ANTSIKA…
RRAG
“SECRET”-ANTSIKA… Ireny fa toa vaky, ren’iray tanàna, ny “secret”-antsika. Nikaoka tao anaty, nilaozana hafanana, nitoeran’ny hatsiaka! Ireny ny tahiry, nipoitra moramora, avy any an-dava-panafenana. Toy ny voa nitsiry, mamaky moramora, ny tany nandevenana! Ireny fa nivoaka, tsy tanam-boaty intsony, ny “secret”-antsika. Toy ny felana nitroatra, niala tamin’ny vony, fa saingy tsy tafita!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafatra
HAFATRA…
RRAG
HAFATRA… Raha te ianao tafita, hahatratra irony tanjona, dia ny fianaranao, no aza atao hatsirambina. Fa io ihany mantsy, no tohatra fiakarana, ka noho izany, hajao ny fianarana. Ny hafatra hampitaiko, dia momba ny fianarana, satria io ihany, no foto-pandaharana, fanoritan-dia, hikatsaka ny soa! Io irery ihany, no tena mahasoa. Ka raha mba hirinao, ny hanan-kifatrarana, dia ny fianaranao, no atao loha-laharana. Fa ho hitanao, ny tombontsoa omeny, avy aminy ihany mantsy, no nahafahanao niteny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nomena
NOMENA…
RRAG
NOMENA… Anio dia, hatopiko ny masoko, hiverina hijery, ny fiainana fahiny, nisy soratrao, voatonta anaty boky. Harosoko ny dia, hizorako ny lalako, ny vavako avelako, avelako hiteny, ny lasako, sy anao, narafitry ny toky! Anio dia, hatolotro ‘ty peratra, mari-pahatsiarovana, irony lasantsika, feno fifaliana, toa lafatra ohatr’izany. Iny ny fitia, porofo fa tanteraka, ireo dinam-pandalovana, nifanaovantsika, tanaty faniriana, nandravaka ny akany. Anio dia, indro fa omeko, hotahirizinao, anaty vatakely. Rojo volamena, famatotra fitiavana, marika fitia, fitia izay nomeko, natolotro ho anao, ho anjara toa tantely. Isam-pandresena, amboaran-drà mampihavana! Nomena ahy ianao, tsy holaviko ihany koa, fa tanako ho amboarako, handefy ny hambom-po. Nomena ahy ianao, tsy ho hariako intsony, fa isan’ny anjarako, ody nampitony. Namafa ny alaheloko, vokatry ny lasa, nomena ahy ianao, ilay mpamafa ràtra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miezaka-aho
MIEZAKA AHO
RRAG
MIEZAKA AHO Niezaka aho no nanontany, fa tsy nahazo izay mba valiny! Niezaka aho ny nitomany, fa tsy nahita izay maminy! Nefa ny aiko dia efa sasatra, niandry anao ny hiverina. Renoky ny torimaso, sy ‘reo lasa nitamberina. Miezaka aho ny mamoy, ireo lasa izay niarahana. Fa misy ora fohy dia fohy, tsy foiko akory ny hofaranana! Miezaka aho ny manadino, ireo zava-bitantsika. Nefa ange dia tsy mampino, fa toa vao mainka voatanisa! Ny aiko izao efa sasatra, toy ny efa any an-davaka! Ny diako ity toa tsy mitsahatra! Ny lalako aza tsy misasaka! Miezaka aho ny tsy mahatsiaro, ireo dinga-nolalovantsika! Miezaka aho ny tsy hanafangaro, ‘reo sedra nitolomantsika!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-amboarakely
TENY AMBOARAKELY…
RRAG
Fahatsiarovana manokana an’i Antsa ity tononkalo ity! Tsy izy mivantana no tena horesahina fa ilay fiangonana katôlika “Notre dame de l’assomption” Amboarakely Ambatolaona. TENY AMBOARAKELY… Nisy fononteny napetraky ny lasa, teny Amboarakely! Nisy fahatsiarovana tsy mbola voafafa, ninia nitoetra teny! Nisy tsikitsiky nentim-pifaliana, tsy foanan-dranomaso! Teny Amboarakely no nisy vinavina, ravan’ny ankaso! Nisy nofinofy sinaingy tsy tanteraka, nitoetoetra teny ho eny! Nisy akom-pety tsy nisy ilay mpitehaka, sy tsisy mba nijery! Fa foana Amboarakely! Hontsa teo i Neny! Naresy ny ankaso, dia bongo ity ny maso! Lavo ‘lay hany hery, gina tsy nahateny! Nisy vinavina tsy afaka nivelatra, teny Amboarakely! Teny izao no lavo rehefa tena reraka, ilay zazakely!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandimby-tsy-satry
MANDIMBY TSY SATRY…
RRAG
MANDIMBY TSY SATRY… Tsy afaka haninona aho ry zoky malala, mandimby tsy satry ny anaranao. Na tsy ho efako aza, ka tiako ny hiala, ny foko tsy sahy, toa tsy azoko atao. Tsy ianao no hoe lavo, na tena efa reraka! Efa maro ny vita, saingy misy tsy tanteraka. Dia anjarako anio, ny mamita ireny. Ry zoky malala ô! Aza hodian-tsy mijery. Ny soratrao an-taona, tsy mbola nisy lavenona. Ny anaranao mitoetra, sady koa mbola velona. Tsy maty tsy akory, fa ianao no naka aina. Maro ny adidy, ka mila misaintsaina. Misaotra anao aho, fa nomenao lanja. Navelanao haneho, ny atin’ny foko. Ry zoky malala, anio dia banga. Ity kianja ity, raha ianao no hafoiko. Ekeko ry “RADO”, fa zandry ny tena tsy afa-manery. Kanefa mba tiako, raha asianao maso, mitopy mijery. Manaraka foana, ny soratry ny tanako. Sy izay fomba hizaràko, ‘ty hany fananako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/daty-sarobidy
DATY SAROBIDY…
RRAG
Andro sarobidy tsy maty am-pon’i Neny ‘lay nahaterahanao! Nahazo zazakely, tiana sy lalaina, kanto toy izao! Iraika amby telopolo martsa, roa amby sivifolo sy sivinjato sy arivo! Toa fahasoavan-tsy voarefy, hoe am-polo, aman-jato! Eny an’arivo! Fotoana tsy voafafan’ny ankaso nisetrasetra iny datin’andro iny! Nandraisam-pahasoavana, batemy sy tso-drano tena sarobidy! Enina amby roapolo jolay, roa amby sivifolo sy sivinjato sy arivo! Teo no nosoritina, niezaha-nofaritina, ny tena hahavon’ny ivo! ilay datim-pahatsiarovana ny nahalavoan’ny ainao vizambizana! Efatra nôvambra, efatra amby sivifolo sy sivinjato sy arivo! Rava teo daholo, ny vina nokinendry! Ary teo koa, no tinapaka ‘lay jiro! Mandria am-piadanana ry aina sombin’ny aina, Antsa nolalaina! Tsiory ianao nirina, toavina sy tiana, ka sitraky ny saina! Izahay tsy nanadino, mbola tsy manadino ary tsy hanadino! Tsy foinay ianao, ka mbola hihaona isika! Ny fonay dia mino!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hiteny-aho-ampy-izay
HITENY AHO, AMPY IZAY…
RRAG
HITENY AHO, AMPY IZAY… Ry fireneko mamiko, nangina aho fahiny, nitazantazam-potsiny, izay nahazo anao. Fe ankehitriny, mba ho an’ny taniko, hitsangana aho, fa tsy hanaiky izao. Maro ireo maty, nianjera teo imasoko. Rotiky ny bala, niandry ny antsoantsoko! Izay antsoantsom-panafahana, ‘ty fery tao anaty. Mizoga ràtra mafy, ka mila ny tsy ho tanty. Hiteny aho, fa ampy izay! Tsy hangina intsony, hiady ho anao. Fa ny hatrizay, izaho mbola resi-tory, no niniana nofatorana, ny fahafahanao! Hiteny aho, ampy izay! Sokafako ny vava, hitolona ho anao. Anaty tabataba, tsy misy rà vaovao, hilatsaka intsony, tahaka ny hatrizay! Hiteny aho, ampy izay! Ny fahafaham-pireneko, tiako ho mandrakizay. Ny fatoram-perinainy, tiako mba ho may! Hiteny aho, ampy izay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/je-taime
“JE T’AIME”…
RRAG
“JE T’AIME”… Mibitsika mangina, anaty efi-poko, ny herin’ny fitiavana. Milaza faniriana, zary toa tsy foiko, ny endrikao rahavana. Ny hantahantanao, arahanao fiangoty, no kintam-pahazavako. Tiako foana ianao, tsy asiako “doute”, fa tokan’ny fitiavako! ‘Reo “souvenir” mamin’ny fiarahantsika, no reko mitamberina. Ny hakanton’irony tany, fampiarahantsika, no hira re miverina. Manaitra aty fanahy, manindrona ny fo, mamafa ranomaso. Manàla ahiahy, mankarary an-doha, nondesin’ny ankaso! “Je t’aime”, tiako hatamberina, ho ren’ireo mpialona. “Je t’aime”, tiako hankarenina, ireo mpifosa lalina. Teny mba naraviko, saingy voka-po, nitroatra avy any anaty. Ianao no mba hotiaviko, ho fanaperantsoa, ho tiako mandramaty! “Je t’aime”, antsoantson’olon-tiana, resin’ny fitiavana. “Tu m’aime”, ilay faniriana, no mba hotiavina. Hinoan’ny maro an’isa, ny vesatra sy lanjany. Sady manapitrisa, ny olona efa babony!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lapanny-fo-manantena
LAPAN’NY FO MANANTENA…
RRAG
LAPAN’NY FO MANANTENA… Lapa miavaka, rova tsy foiko! Tontolo miravaka, ny aingan’ny foko! Fanilo nandrehitra ny fanantenana! Afo nandevona ny hadalana! Lapan’ny fo, izay manantena! Lapa najary, ho fakam-pirenena! Ho sata ijoroana, sy ho foto-dalàna! Lapan’ny fon’ireo mahalala! Lapa miavaka, kanto indrindra! Tontolo miravaka fanantenana! Lapan’ireo ‘zay tsara famindra! Afa-mandevona ireo hafokana! Lapan’ny fo, dia ‘lay fo manantena! Lapan’ny aina, saha Edena! Rova voavoatra, ny fitia mafy orina! Vokatry ny fo, fa tsy noforonina! Tsy ravan’ankaso, na ringan’ny afo. Tsy vitan’ny maso, sy vidina lafo. Vidin’ny fo, sy ny aina amin’ny ràny! Io no mampiavaka, ny ravaky ny sahany! Lapan’ny fo, dia ‘lay fo manantena, fa handroso tsy ho ela, ny firenena! Afaka amin’ny zoga, nataon’ny hafa! Handroso am-pitiavana, tsy mihafahafa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/asio-sioka-kely
ASIO SIOKA KELY...!
RRAG
ASIO SIOKA KELY...! Tinazako ianao, mijinery lanitra, mitsikitsiky kely, kantokanto ery, izato tavanao, mirana finaritra. Njay, toa mahate ho tia! Mambabo ny fijeriko, manaitra ny aty fo. Nanova ny fiteniko, hoe 'ndao mba hiara-droa. Fa tiako sahady ianao, ilay vao notazaniko. Eo anilanao no, misy ny akaniko! Asio sioka kely ary, ho solom-balin-teny. Fa maika ery ny foko, hanopy ity fijery. Eny an-tavanao, sariaka ohatr'izany. Tiako ianao ka, tsy avelako hitomany! Asio sioka kely, ho solon'ny antso avy, hanaporofoiko, hoe ianao dia tia. Tiako loatra mantsy, ianao manontolo, ka meteza re, ho ataoko tsara kolo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/cahier-de-souvenir
“CAHIER DE SOUVENIR”!
RRAG
“CAHIER DE SOUVENIR”! Narafitro ho hira, any anatin’iny, ny anaranao. “Cahier de souvenir” hatramin’ny fahiny, ‘lay misy sarinao. Sary tsy miloko, sady efa tonta, saingy! Mahameva ny endrikao. Sady “cahier” tsotsotra, toka-mitahiry ny mombamombanao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/un-cur-perdu
“UN CŒUR PERDU”…
RRAG
“UN CŒUR PERDU”… “Un cœur perdu”, mitady ilay fitia. Eto amorom-patana aho, no injay mahatsiaro andrỳ! Mitanisa irony lasa, tsiaron’ny fahiny. “Un cœur perdu”, malahelo ilay tiany. “Un cœur perdu”, ho an’ilay “chérie”. Ny foko torotoro, no manoratra ity, tononkalo tokana, tsiaro irony lasa. “Un cœur perdu”, manembona ny kasa. Raha toa ka ny fitia, ilay notsinjaraina, toy ny raozy tokana, malazo miala aina, dia hisy “cœur perdu”, any hitaraina! “Un cœur perdu”, ilavitra olon-tiana. Mila fanafody, manala fanahiana. “Un cœur perdu”, manantena anao. “Un cœur perdu”, mbola miandry ilay nandao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandria
MANDRIA!
RRAG
MANDRIA! Zandry, etsy matoria, eo ianao mandria! Aza miteny intsony, aleo ny fo hitony! Misetra ve ny fasana, mamongatra ny lasana, misintona ny aina, ka mampitaraina? Antsa, etsy matoria, eo ianao mandria! ‘Njay toa resi-tory, ka tsy mahatsapa ory! Mandria ry sombin’ny aina, hampitonio ny saina! Mangina dia aza mitomany, f’izay no setran-tany! Antsa ô! Etsy matoria, eo ianao mandria! Aza misaina akory, ‘zay hoavy tsy hitohy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hanoratra
HANORATRA!
RRAG
HANORATRA! Na dia taratasy maro, tsy mba nisy valin-teny, no nalefany ho anao, isak’izy mahatsiaro. Dia tsy nahakivy azy, ny manoratra toy ireny, isan’andro vaky izao, mba hamerina ny tsiaro. Na ny ranomaintiny aza, no lanilany foana teny, nandrafetany ny ainga, nitoetra tao am-pony. Na dia voarainao, fa nodiana ny tsy nijery, ny hafa-nampitainy, dia tsy nasiany lonilony. Hanoratra izy, hanoratra indray, Ho tsiaron’ny fahiny, sy ny hatrizay, ilay ninianao, tsy notsaroana intsony! Hanoratra izy, mba ho an’ny fony. Na dia norovitinao, teo imasom-pakitera, ny taratasy nampitainy, nisy hafatry ny fony, satria aminao, hafatra mandany lera. Dia tsy nahoany! Hanoratra izy ho anao, amin’ny ranomainty vao. Ho fampatsiahivana ny lasa, ‘lay ninia-nadinoina. Hanoratra izy ho anao, teny sarotra vonoina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/olivah
“OLIVAH”…
RRAG
“OLIVAH”… Misora-tsy voafafa, anivon’ny diary, ny anara-nofinidy, tinendrin-Janahary, nosaloranao, tanivon’ny batemy, izay noraisinao, teny Amboarakely! Tinefy tsy voaempon’ny eritreri-dratsy, ny fanahinao, nandray ity fitafy, nihosotr’ilay menaka sy namafazan-drano, narahan’ny pretra, vavaka! Tso-drano! “Olivah” izany! Ny anaranao voatokana! Anarana am-batemy, hiaro anao manokana! Hiaraka hisedra, ‘zay mafy sy mangidy! Ary hifanampy, amin’izay ho adidy! Rafitra napetraka, ho anatra sy ho fitaratra! Sarisarim-piainana, tiana ho alainao tahaka! “Olivah”! Ny olomasina voatendry hiaro anao! Any izy izao, isan’irony namana! Tena akaikinao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-dingana-voalohany
‘LAY DINGANA VOALOHANY…
RRAG
‘LAY DINGANA VOALOHANY… Fantatrao fa mamatotra ahy, ny tahotro sy ny henatro, hanatona anao, hilaza izay rehetra am-poko. Fantatrao aho fa tsy ho sahy, ny hanokatra ny molotro, ka haneho aminao, ‘lay fitiava-nokoloiko. Fantatrao ny fahatahorako, ny hiroso haneho ireny, toky maro sesehena, ho porofon’ny fitiavako. Mamatotra ahy ny fatorako, mamatotra ahy tsy hiteny. Mihazona ahy tsy hahaleo-tena, hamaky teny avy eny am-bavako! ‘Lay dingana voalohany, iny dingana iny mihitsy, no tsy sahiko dikaina, hanatonako anao. Ilay dingam-boalohany, nataoko toa tsy nisy, satria niahotra ny saina, ny hamaky izany ho anao. Fantatrao ny ato am-poko, saingy menatra, toa miandry vava latsaka, miandry fahasahiana avy amiko. Ianao nefa tsy foiko, fa ny anatiko matahotra, tsy hahavita dingana, na dia mavesatra tsy tantiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/levona
LEVONA
RRAG
LEVONA Raha mbola hisy fo, hisento sy hitomany, ka hisy hazavana, saronan-javona matevina! Dia ataovy an-tsaina, fa tsy mifarana izany, raha tsy ny tany, mihitsy izao no levona! Raha mbola hisy fo, haràtra ka hamery, na mbola hisy kintana, hisingana irery! Na hisy koa fitaka, handrakotra ‘reo teny, dia ataovy an-tsaina, fa hivadika tomany! Hiova ho tomany, izany fery izany! Aleo mba ho levona, na aleo ho faty! Aleo ny monomonona, hiala ao anaty! Fa ‘ndrao io indray, no ampinga mety hahafaty!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ranomasoni-antsa
RANOMASON’I ANTSA…
RRAG
RANOMASON’I ANTSA… Hoy i Neny hoe mangina, fa aza mitomany akory! Hoy i Neny hoe midinà, etsy anie fa hotrotrony! Etsy koa mba hofihininy, izato silaky ny aina. Hobabeny sy hovimbininy, ny vesatra entin’ny saina! Avelao mba hofafany, ‘ty ranomasonao mirotsaka! Etsy re mba hanalany, ny entanao tena mavesatra! Ny ranomaso arotsakao, dia fery ao am-pon’i Neny! Izy koa mba te hitalaho, nefa toa tsy sahy miteny! Tsy sahy manoka-bava akory, ka hilaza ny ao am-pony! Tsy izy aloha no resi-tory, fa ianao ry Antsa no tsy foiny! Etsy aleo fafany, ny ranomasonao mirotsaka! Hivavaho fa tena ilainy, ny maraina vao miposaka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mety-hisy-ve
METY HISY VE?
RRAG
METY HISY VE? Mety hisy ve fitia, any anaty valifaty, handresy irony hatezerana, notinefin’ny teti-dratsy? Mety hisy ve fijery, hiaiky ny lazain’ny fo, eo anivom-pahasorenana, sy ny fahavakisan-doha? Mety hisy ve mpitazana, tsy hanakia-mpilalao, rehefa sendra ady mazana, na koa loza mitatao? Mety hisy ve ny namana, tsy hanadino ireo nanampy, rehefa iny ka tafita, ka nita hatrany an-dafy? Anjaranao no mandinika! Anjaranao no mamaly! Fa moa raha nisy fahoriana, tao tsy nisy koa nifaly? Ka raha ny eritreritrao, moa tsy eny, ny valin-teninao?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foza-ve
NY FOZA VE?
RRAG
NY FOZA VE? Zary anaram-petak’ireo mpivarotena, zazavavin’ny alina. Zary lasa vesatra, entim-pirenena, anaty lava-dalina. Karazaram-biby, tia miaro tena, sady malaky malona! Saingy lafovidy, tsy zaka-mpitondratena, mikatsaka ‘zay hohanina. Zary esoeso, entin’ny mpanohitra, hisoketaina ny mpitondra. Teny mihetraketraka, entina hanesoana, ‘reo tovovavy momba. Ka hilazàna azy, tsy nahay nitondra-tena, foiny ny fahiny. Zary latsalatsa, hanamelohan-tena, sy hanjerana tsiny! Ny foza ve? Toa biby mahasoa, saingy naratsiana. Biby mora fo, saingy toa tsy tiana, satria lotoin’ny maro, ny hasina hananany! Ninia-nafangaro, nazera ho fahotany, ny ota tsy tan-tanany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-sarinao-no-sisa
NY SARINAO NO SISA…
RRAG
NY SARINAO NO SISA… Teboka namarana ny vina nokinendry, ny setrasetram-piainana nentin-daha-tendry! Baraingo tsisy valiny ny tomboky ny lasa, voatery nofafan’ny dinga-nokinasa. Indrisy haizin-kitroka tsy nisy mba fanilo, no nanakon-kazavana tam-pototry ny jiro! Fasan-drary vato no solon’ny akany, ‘zay fetram-pisarahana vofaritra eto an-tany! ‘Zay ranomaso latsaka ve moa dia hahatamberina, ny nofy efa lasana tsy afaka niverina? Levona sy levina ny aina manontolo ka indro sary sisa, no zary firesahana hizarana visasisa! Ny sarinao no sisa naman-tsy nandaon’ ny foko torotoro drodroky ny talaho! Io no hany sisa mihaino ‘zay fitarainako, mahatsapa tsy mamaly ny ivom-panaintainako! Antsa a! Dia nofy avokoa ny lala-nolalovana, fa ianao nianjera, reraka, torovana! Nosedrain’ny fiainana, nosetrain’ny ankaso, ny fon’i Neny izao no vonton-dranomaso!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/29-jolay-1992
29 JOLAY 1992…
RRAG
Manembona mafy ny lasa fahiny, ny foko ‘zay resin’ny fahakiviana! Nahoana loatra ny tody sy tsiny, nandrava ny nofy sy ny faniriana? Andro tsy maty am-po mahatsiaro, ny fahasivy amby roapolon’ny volan-jolay! Taona tadidy tsy lefin’ny maro, roa amby sivifolo sy sivinjato sy arivo, izy izay! Nandray fahasoavana ny iray trano, fa vita batemy ianao ry Antsa! Ny faniriana dia ny ho halaviran’angano, saingy ny antsika moa dia, vitan’ny kasa! Tsy afa-manohitra amin’ny tendrin-dahatra, sy ny fetran’ny vintana eto an-tany! Tsy afa-misafidy izay ahafaha-mitsahatra, ka hoe hanery, izay voasoritry ny hoavy! Fa dia ny mifaly na koa mitomany, no hany azo atao sy iainana eto! Arahabaina ry Antsa! ‘Zany zandriko izany, tonga fety anio, fa aza misento!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iriko
IRIKO…
RRAG
IRIKO… Iriko tsy ho foana, tsy ho ravan’ny anio, ny tantara noraketina, nosoratan’ny omaly! Iriko tsy ho foana, tsy ho ravan’ny anio, ‘reo aina izay nafoy, ka nototofan-tany! Fa satriko izy ireo, hipetraka sy hitoetra, mba ho fanarenana, ny atin’ny fanahy! Ka hanohan’ireo, izay resy sy matahotra, very fanantenana, ka miahotra tsy sahy! Iriko tsy ho levona, na rotiky ny lasa, ‘reo voady vita dina, sy vina vita kasa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/antsa-lasa-koa-i-nenibe
ANTSA Ô! LASA KOA I NENIBE…
RRAG
ANTSA Ô! LASA KOA I NENIBE… Resy indray isika, tinapaka ny tohatra, tsy ilavitra akory, dia lavon’ny adim-piainana! Lavo indray isika, tsy tafani-bohitra, tsy resi-tory akory, fa resim-pitarainana! Ry Antsa ô! Lasa koa i Nenibe, ‘lay foto-nipoirana, foto-pisiana. Lasa koa izy, lasana nandeha, ka hazo efa boboka, ny sisa hifikirana. Atao ahoana moa, ny tsy hitomany? Atao ahoana moa, ny tsy mba hisento? Raha lavon’ny ankaso, na tototry ny tany, ‘lay Renibe fitaratra, ‘zay lasana tsy ho eto! Resy indray isika, ka dia miady irery, tsisy mba manampy, tsisy mba mijery! Resy indray isika, fa tapaka hazo iankinana. Tapa-dalana aleha, an-teteza-miorirana! Ny masoandro mitomany, toa misaona ihany koa! Ny volana aza toa mangina, fa tsy toy irony alina. Migogogogo mitomany, satria maràtra ny ao am-po! Ny fo maràtra eo ihany, raha afaka misento lalina! Faravavin’ny aina, ‘lay mpampiray fo mitia. Mpamafa ny taraina, tsy voafafa sanatria! Faravavy manaja, miaiky ny maha zandry. Tsy mba basivava, na tia manenjan-tsandry.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ela
ELA…
RRAG
ELA… Volana baliaka, mampatsiahy ny omaly! Namafa ranomaso, noraketin’ny ela, ‘zay niarahantsika, tan-kafaliana sy tomany! Io volana io ihany, no hany mba tavela. Volana baliaka, tambesatry ny lasa! Ranomasom-panembonana, narahana tomany, ilay velomantsika, tsy tahaka ny nahazatra! Ranomaso lafovidy, no nanarona izany. Volana baliaka, fijerinao ry Antsa! Tsy namela ny aiko, ho reraka torovana. Fijerin’ny mijaly, fanilon’ny mahantra. Io volana io sisa, no endri-pahatsiarovana Ela fitoetra, tsy ravan’ny ankaso! Io volana io, no hany hiresahako. Ela fitinaratra, mahafafa ranomaso, ‘lay hany namanao, tiako koa ho namako! Tsy mbola mety foana, anatin’ny saiko, ‘reo tsikitsikin’ny ela, teny amin’ny endrikao. Tsy levon’ny taona, na koa hadinon’ny aiko. ‘Zay mbola toa tavela, teny amin’ny vola-namanao! Rakitry ny ela, tsy main’ny afo izay nandoro! Tsy lefin-drivotra mahery, na sindan’ny tomany! Tomefy fanantenana, tsy maty voavono! Fahatsiarovako an’i Antsa, ‘lay zandriko tan-tany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rakotondravao-tsiorinirina-antsalalaina
RAKOTONDRAVAO TSIORINIRINA ANTSALALAINA
RRAG
RAKOTONDRAVAO TSIORINIRINA ANTSALALAINA Tsy ory fa nirina, ‘lay Antsa nolalaina. Sila-paniriana, sombintsombin’ny aina! Tsy ory toy ny fo, fa miavakava-toetra. Safidin’olon-droa, tsy ory na voafetra! Nirin’ny fo miray, ‘zay fo mitepo anaty. Olon-droa ‘zay tafaray, no naniry azy mafy. Antsam-peo manako, ren’ny vodilanitra. Arahina lamako, sy fitiavan’ny mahantra. Lalaina sy toavina, tsy mitàna alahelo. Miteny toa tsy lavina, lalaina sila-bero. Faravavin’ny aina, ‘lay mpampiray fo mitia. Mpamafa ny taraina, tsy voafafa sanatria! Faravavy manaja, miaiky ny maha zandry. Tsy mba basivava, na tia manenjan-tsandry.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tebiteby-tsy-fanta-piaviana
TEBITEBY TSY FANTA-PIAVIANA
NY HERIMAR
TEBITEBY TSY FANTA-PIAVIANA Tebiteby tsy fanta-piaviana Mandrebireby ny fanahy; Tsy hay marina izay ahiana, Mamelombelona ahiahy. Tebiteby tsy fanta-piaviana Mampanelo-tena samirery; Tsinontsinona mahavariana, Hain'andro mahela fery. Tebiteby tsy fanta-piaviana Ahatsiarova-ny lasa fhiny; Mpizaika lavitr'olon-tiana, Isan'andro mihevona in-dimy. Tebiteby tsy fanta-piaviana Manome rariny ny toreo; Lalan-tsisy fiviliana, na ilaina aza mankaleo. Tebiteby tsy fanta-piaviana Mampanonofy ratsy ao an-tsaina; Alahelo tonga tsy nahiana, Mihatra mafy aman'aina. 18:39' Maroc
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anireo-mijaly
HO AN’IREO MIJALY…
RRAG
HO AN’IREO MIJALY… Inty mba misy amboara, omeko anao mijaly! Inty mba misy vetso, ho anao ‘zay mitomany! Mangina fa tsy ho ela, dia ho ravan’ny anio, ho levony sy ho totony, ny herin’ny tadio; Ireo minia manarona, ny masoandrom-piainanao! Ireo hery izay manery, anao ny hitalaho, nefa dia mamatotra, ny ainao tsy hiampita! Hery mampitamberina, ireo ady tsy vita! Ho an’ireo mijaly, sy ho an’ireo misento! Ho an’izay mitomany, no hanaovako ity vetso! Novokarim-po, noraketiko ho amboara! Narakitro ho diary, nosoratako ho tantara! Banjino sy jereo, ny lasa efa vita! Aza karohina akory, ‘reo ràtra efa tsy hita, fa aleo ho levona any, hamafa ny tomany! Aleo ho main’ny afo, dia hototofan-tany! Banjino dia diniho, fakafakao lalina, ny lasa izay navela, napetraky ny alina! Banjino fa aza avela, hiserana handalo! Fafao ny ranomaso, dia eo fafao ‘reo kalo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/siokanao
SIOKANAO…
RRAG
SIOKANAO… Misioka moramora, reko anaty nofy, manafosafo ny aiko, ‘zay efa toa farofy! Ny siokanao! Toa sioka mampahery, mitantana ny diako, mihazona ahy tsy ho very! Ny siokanao ry Antsa, toa sioka fahatsiarovana, ‘reo andro niarahana, voatery ho fandalovana! Ka io sioka io, no reko ankehitriny, siokan-jandrivavy, fa tsy an’ny mpivahiny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anarana
ANARANA…
RRAG
ANARANA… Miangola toa sary, tonta fa sariaka! Miram-palifaly, anaty hakantom-bika! Midola dia mitsiky, misioka arahin-kalo! Tsy maniry ny tsy misy, ka hanangam-pahavalo! Manam-po mitepo, mitia sy mankahala! Misefo sy mivetso, niarahana nahalala! Tinazana ny toetrany, fa fitia tsy nisy fetrany! Antsa! Antsa! Antsa! Tsy re! Toa tsy heno intsony! Antsa! Antsa! Antsa! Maty ve? Sa kosa resi-tory? Anarana, nalevon’ny taona! Antsa! Anara-nampisaona!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lasa-izy
LASA IZY…
RRAG
LASA IZY… Taona roa no indro vitany, fa izy lavo amoron-dalana! Ny iray avy aza tsy voadingany, nianjera tan-tsampanan-dalana; ‘Lay Antsakely zandrinay! Lasa tsy niera, tsy niteny akory. Nandao ilay fiadanana, ‘zay mbola resi-tory. Vonton-dranomaso, nizaka izay natsatso. Nihinana ny ngidiny, nilaozanao tsy fidiny, an-tsedra mahamay! Nafoinay tan-dranomaso, ‘lay Antsa mpampitony. Nandao anay tanaty ankaso, nanao veloma tsy ho eto intsony! Nandika varavaran-kazo, namonjy varavaram-bato. Toy ny felam-bony iray nalazo, ny fony koa no efa niato! Efa nalavon’ilay seza, ilay hany fifikirany. Efa rendriky ny sedra, ny habakaba-pisidinany. Taona roa no injay voalahatra, niainan’i Antsa teto an-tany! Andro vitsy no niarahana, dia nivadika ho tomany; F’efa lavon’ny adim-piainana, sy ‘lay sedra tsy azo ialàna! Voakapokapo-pitarainana, nazera an-davaka malama; ‘Lay Antsakelinay, ‘zay zaza dia efa lavo! Tsy nahavita akory, nananika ny avo, ‘zay handrian’ny fony, ho fanantenany rahatrizay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/04-nvambra-1994
04 NÔVAMBRA 1994
RRAG
Raha azoko natao, ny nanakana ‘ty andro! Raha azoko natao, ny nampitony ity masoandro! Tsy mba niandrasako akory, fito ambin’ny folo taona lasa, fa avy dia novonoiko, nodoroako ho tsara fafa, ‘lay andro niononako, namoizako anao! Raha azoko natao, ny nanery an’Andriamanitra! Na koa, azoko natao, ny nitrerona ny lanitra, mba hamerenany anao, dia avy dia nataoko! Mavesatra amin’ny foko, marary ‘mbamin’ny saiko, saingy tsy ho vitako, ary toa tsy ho haiko, ny mamerina anao, ry zandrin’ity aiko! Raha azoko natao, ny nanafoana ilay fotoana. Fotoana mafy indrindra, foiny ianao lasa! Angamba, efa vita vina, sy efa vita kasa, mba ahafahantsika, ahafahantsika mihaona! Ry fasana jereo, ‘ty ràtram-po tavelan’ ny adin-tsainy maro, miampy fahalemena, noho ny nahalasany, nahalasan’i Antsakely! Nefa modianao, modianao tsy mijery! Modianao tsy mihaino, ny fitalahon’ny fo. Miangavy mafy anao, miangavy an-tanan-droa! Ny hamerenanao, hamerananao indray, hitombina eto anoloana, ‘lay Antsakelinay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/krismasy-1965
KRISMASY 1965
Fredy Jaofera
Tamin'izay fotoana izay, asa loatra ity nitaratra fa nisy aloka anankiray nampipoaka ny varatra ? Dia nikimpy teo tsy nahy 'lay sarobidy nantenaiko ka 'zany foko sy fanahy, sady ory no tsy haiko. Dia alahelo no nitaona 'ty mba datim-pifaliana ka ny foko no nisaona tao anaty fahakiviana. Veloma teo ilay reny nandrasako ny hikalo sy hanilo foana teny ka ny ora no nimalo. Anarany krismasy, ry olona eto an-tany, ka zaza nangasihasy no nikiaka nitomany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-ihomehezana
AZA IHOMEHEZANA
Fredy Jaofera
AZA IHOMEHEZANA Aza ihomehezana 'lay olona maty an-drano raha mbola tsy niampita toa an'iny fa dia hakelezana izany tsy nahita angano ka sao hanody sy hahazo tsiny !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-antsa-mitomany-i-neny
RY ANTSA, MITOMANY I NENY…
RRAG
RY ANTSA, MITOMANY I NENY… Ry Antsa! Mitomany i Neny! Mitomany mangina, dia manadino ny andro, nahamalomalok’endrika! Dia mangina tsy miteny! Ka manome tsiny, ny taratry ny masoandro! Mitomany i Neny, misentosento irery, ery an-jorontrano! Mitazana mijery, ‘lay vola-mibaliaka, mpiambina anao! Toa tsy mba namaly, ‘lay fony nitalaho! Misento mitomany, miondrika mivetso, irony tononkalo, nosoratany ho anao! Manakimpy maso, mitomany dia misento, mijery an’eritreritra, ny sarin’endrikao! Ry Antsa! Mitomany i Neny! Indraindray mingonongonona, miteniteny irery! Indraindray dia mitomany, mangina tsy miteny! Ry Antsa ô! Mitomany i Neny! Tsy foiny mantsy ianao,’lay faravavin’ny ainy! Toa satriny hiangoty, an-tratrany eny hatrany! Kinanjo izany anefa, zary aretin-tsainy! Nahatonga ny tomaniny, ny nandaozanao ny akany! Ry Antsa, mitomany i Neny! Asa raha renao, ity izy mitomany? Misento! Mivetso! Mangina! Dia injay fa tsy miteny! Mba renao ve, ‘ty fony toa mijaly, ka tsy afaka manohitra, dia aleony mitomany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-hirany
ILAY HIRANY…
RRAG
ILAY HIRANY… Tsaroako ilay hira fiventin’i Antsa, fampatsiahivana ny tsiaro fahiny! Tsaroako ny gadony arahany hanta, tsy mihira iny izy raha tsisy ny antony! Ry Neny hoy ny feony, injay fa mikalo! Tsy hamakian-tonony, fa vita tsianjery! Ry Neny aiza ianao, hoy ‘ty feony milanto, mihira mangina, dia miteny irery? ‘Lay hirany! Anaty feon-jazakely! Ny gadony toa fikalon’anjely! Feom-boromanga, araham-peo manga. Ny hoaviny efa hita fa nanangasanga! Tsaroako ‘lay hira fiventin’i Antsa iny! Ilay mampiray, mampihavana ireo tiany! Tsy avelako ho levon’irony fahiny, fa tsiaro sy tsiahin’ilay tsy manan-tsiny! ‘Lay hiran’i Antsa, hira hafa tonony! Hira tsisy mpanana, sy noforoniny! Tsy misy mpiantsa firy, fa izy irery ihany. Hira fahakeliny, nampitsiky sy tomany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/isika-mianakavy
ISIKA MIANAKAVY…
RRAG
ISIKA MIANAKAVY… I Dada miramirana, toa faly sy sahirana! Mahita antsika zanany, mameno ny hasambarany! I Neny falifaly, na dia mahare mijaly! Anaty fihafiana, sy tokantrano tiana! I Hery lasa nianatra, niaraka amin’i Haja! Izaho sy i Antsa, nanao kibasy am-bava! Isika mianakavy, miadana, finaritra! Tsy misy raviravy, an-tokantrano miavaka! Isika mianakavy, no taratry ny anio! Fanilon’ny hoavy, fandrava tadio!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/31-martsa-1992
31 MARTSA 1992
RRAG
NOFIN’NY FOKO… Hoavy ‘lay andro, hifohazan’ny foko, hitsiry fitiavana, tsy hatahorana hiofo. Fitia tsara voatra, sy mafy fototra, na sedra na olana, tsy hahavita hanototra. Fa vao mainka aza, hamoaka ‘lay sompitra! Hilaza ny foko, fa misy hazavana, mipoitra maraina, mitondra hafanana. Miboko mangina, ‘lay foko mitepo, tsy hamela azy haràtra, na ho velon-tsento. Hoavy ‘lay andro, tsy maintsy hamborahako, amin’olona iray, hiantefan’ny fitiavako. ‘Zay rehetra notanako, ho tsiambararoa, mirakitra ‘reo fery, sy ireo mahasoa. Hilaza ny foko, fa misy toerana, banga sy foana, ka mila tampenana, mila fenoina, fa hatahorany hamery. Ny lasa rehetra, toa zary tsianjery! Hoavy ‘lay andro, hanatonako anao, hibitsihako mangina, ‘zay raketin’ny foko. Fitia tena izy, fa tsy hoe kilalao, nefa ianao, toa hoe manan-tompo! Hilaza ny foko, fa izy no diso. Ny saiko handà, ka handiso anao. Mety handatsa, hanompa, sy hiantso tody. Dia hiahotra indray, tsy hanatona anao, fa aleo ny fitiavako, hiverina himpody. Hoavy ‘lay andro, mety hitomaniako. hilaza ny foko, fa noho ianao. Hoavy ny andro, handaozako ny tany, mino ny foko, fa ianao hitomany. Hibaiko ahy ‘lay foko, handeha miova toerana, nefa tsy eken’ny saiko. Fa sao indray diso toerana. Raha hoavy ‘lay andro, hifanaovam-beloma, dia aleoko miafina, tsy hanatrika ‘lay ora. Fantatro mantsy, fa tsy tantin’ny aiko. Tsy zakan’ny foko, tsy eken’ny saiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/malagasy-mitaky-nosy-atody-mety-ho-vato
MALAGASY MITAKY NOSY, ATODY METY HO VATO…
AbouNusrayni
MALAGASY MITAKY NOSY, ATODY METY HO VATO… 1.Atody miady amam-bato, Ve isika raha manohitra? Ireto mpanjanaka tsy miato, Taranaka mpanani-bohitra. 2.Tsy mba nandefa akory ry zareo, Na dia mba minisitra iray, Na de ho fanajana fotsiny, An’ Atoa Praiminisitray. 3.Fa dia tena ambasadaoro, Ny traikefany tsy lavina, Nefa mampiseho rapaoro, Hoatran’ny hoe mahatsiravina. 4.Raha izaho no teo amin’ny toerana, Tsy mba ho nanaiky an’izany; Ny fiandrianantsika ferana; Izany ve tsy hanihany. 5.Akory anefa ny hatao, Tsy maintsy misy fiantombohany. Zara aza misy an’izao, Handetehana any an-dohany. 6.Fa mbola ho avy ny fotoana, Hanapahan-tadipoatra. Efa manomboka mihaona, Tsy afaky ny tsy hivoatra. 7.Na tsy miray hina loatra, Isika zanakin’ny tany; Rehefa misy mampitroatra, Ry zareo ho fay ihany. 8.Manararaota dieny afaka, Mananihany ny aminay; F’izahay anie mivavaka, Ny hahazoanareo kobay. 9.Mbola ho avy ny maraina Am’ fomba tsy ho takatra; Ny vahoaka mitaraina, Hisy akony mifatratra. 18_11_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-no
IZA NO…?
RRAG
IZA NO…? Iza? Iza no hahafehy? Iza no hahavita? Iza no hiaiky, fa tena vitsy an’isa, ‘reo fo mahay mitia? Maro tsy hay hisaina, ‘reo olo-mankahala, ny fohazan’ny maraina, ka tsy te hahalala, izay hazeran’ito alina, anaty haizin-kitroka, sy izato lava-dalina, mety hahaditsoka; Kanefa ireo minia, manarona ny taratra, handevonana fitia, anaty alim-baratra. Iza? Iza no hanafaka? Iza no hanala, ‘ty faka nahasolafaka, ireo tsy nahalala? Iza? Iza ilay hiandrasana, hanafaka ‘ty tany, anaty sedram-pasana, sy herin’ny tomany? Indrisy fa efa lavo, ilay toka-nantenaina, hanarin’ireo lavo, resin’ny adin-tsaina. Indrisy fa dia resy, sy lavon’ny fasana, ilay hany fetsy, noho ny afo niandrasana. Fetsy noho ‘lay afo, nandrehitra fanantenana. Kinga noho ‘lay maso, foto-kadalana. Iza? Iza indray no handefy, ny gogogogon-tany? I Antsa efa tsy eto, hampitony ny tomany. Iza? Iza no hisolo? Iza? Iza no hahasolo, ‘lay fo hafa fitepo, miava-piaina sy vetso? Iza? Iza no hitovy, an’ilay Antsan’ny fitia? ‘Lay sahy nandrava tody, izay nanarona ny dia!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangina-fa-aza-mitomany
MANGINA FA AZA MITOMANY…
RRAG
MANGINA FA AZA MITOMANY… Mangina, fa aza mitomany! Mangina, fa i Zoky eto ihany, eto anilanao, eto hampitony! Aleo izy ho any, ka aza asiana lonilony! Mangina dia etsy koa fafako, izato ranomaso, manarona ny tava! Mangina izato zandriko, dia aza miady aminy, na koa manoka-bava! Aleo izy hiteny, aleo koa haneso, fa rehefa reraka io, dia mijanona ihany. Aza atao mankarary, na koa mampisefo! Injao izany indray, no hampitomany! Mangina! Mangina ry Antsakely! Mangina! Mangina hoy ny foko! Mangina, fa aza mba miteny, fa izay tsy tia! Etsy hosoloiko! Aza mihaino akory, ny vazavaza entiny! Aza raharahaina, izay hoe fihetsiny! Fa izy tsy ho ela, rehefa tsisy mihaino, dia hangina tsy hiteny! Izany koa mba saino! Mangina! Mangina ry zandry! Mangina fa aza miady, na mifamaly aminy! Aleo izy! Aleo hanenjan-tsandry, fa tsy ho ela, dia ny neniny ho tomaniny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-sezany
NY SEZANY…
RRAG
NY SEZANY… Eo am-pen’i Neny, eo an-tratran’i Dada! Eo no seza, sezan’ilay zaza! Jiro nanazava, ny haizin’ny alina, kanefa sary sisa, no mahamanimanina! Seza hafakely, miendri-bolamena! Fanilon’ny mpijery, tsy dia ilàna harena. Seza tsy miloko, tsy mifidy tava! Kintan’ny alina, vola-mpanazava! Seza maro mpanana, fa vitsy mpampiasa! Sezan’ny fahazaza, fonenan’irony lasa. Ahazoan-tambitamby, ahafahana miangoty! Mbola eo ihany, fa tsy hoe fotsy. Ny sezany! Eo an-tanan’i Zoky. Ahazoany fitia, ahazoany toky. Sezan’ny fiadanana, seza fiandrianana! Sezan’ny farofy, fitoeran’ny tsy manana! Hafa rafitra, hafa fandrafetana, ‘lay sezan’i Antsanay, hafa fiorenana! Satria miorina am-pitia, ‘zay feno faharetana, fa tsy toy ‘reo seza, mandalo dia miserana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nisy...-raha
NISY... RAHA...!
RRAG
NISY... RAHA...! Nisy fery maimbo, izay nankaleo ny fo, teny an-kianja, fiarahan'olon-droa. Ka nahakivy anao, nahatonga anao tsy hitia, fa hoy ianao mantsy hoe: “Fihatsarambelatsihy”. Fitaka sy habobo, ny toky sy ny dina, hadino anefa ireny, raha misy mahavariana. Na mety koa hiniana, hitsahan-tsy misy antra. Dia ny mizaka izany, ny fo ilay mahantra! Raha azoko atao, ny mamerina ny lasa. Dia nisy namafako, irony izay nandràtra, ny fonao k'injay nahatonga, anao tsy te hitia. Fa hoy ianao mantsy hoe: “Mamery ny fitia”. Nisy pitik'afo, ninia nikiry, nandoro ny atinao. Injay toa tsy mety tony, eny hatramin'izao! Nentin'olon-tiana, ilay niara-nandrafi-toky. Nefa ireny dina dia, zary isan-tahirim-boky. Mipetraka an-tsalazana, tsy misy mba mpijery! Tsy misy mba mpamaky, nefa tsy ary hiteny, hitaky sy hangataka, ny zo namoronana azy. Hanery ny hampiharana, irony vita voady! Raha azo niverenana, ny lasa nisy azy iny, dia nankany mihitsy aho, ka nofoanako izy. Ary izaho indray no napetrako, teo anilanao, dia ho hinoako fa nitia ianao, eny hatramin'izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sisanamboa
SISAN’AMBOA…!
RRAG
SISAN’AMBOA…! Any anaty nofy any, misy olon-tiana, tena tia tokoa ka, satry tsy hisarahana. Any ho any koa no, mitsiry ireo faniriana, nifamatoram-po, sady nampitambatra. Any anaty nofy any, misy safo lafovidy, tsy taka-bolamena, fa dia takalo aina. Saingy mifaningotra, ny anjara sy safidy, ka mahavaky fo, sy mampiasa saina. Indrisy anefa ny eto, tsy toy ny aty nofy, vazavaza lava, sy tebaka mamay. Ilavitra fitia, toa tsy mba misy rotsy, taratra fa roa isika, fa toa tsy mba iray. Fitia tsy misy, fa adiady lava, sisasisan’amboa, no nifampizaràna. Ka dia isan’andro, ranomason-tava, no manefy alahelo, anaty hikam-pahajambana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-adinny-poeta
NY ADIN'NY POETA...
RRAG
"Eny anivom-panoratana no ahitana ady vao, fa tsy efa anefa ireny raha tsy eo koa ianao". NY ADIN'NY POETA... Ny miaramila dia, hery fiarovan’ny tanindrazanao. Indraindray aza, herim-pamoretana, izao rehetra izao. Am-basy sy an-tafondro, ireharehà-mpitondra. Tanjaky ny mpanana, sy entiny mamonja! Entiny hambaniana, ny madinika indrindra. Lazainy fa hamehezana, tontolo ho tsara rindra. Saingy toa miaro, ny hareny am-bala fotsiny! Dia ny vahoaka toa anao, no mitsimpina ny potiny! Ny adin'ny miaramila dia, ady ho an'ny 'ngeza. Ny tolo-miaramila dia, sandry manageja, mamatotra amin'ny tahotra, ny tsy am-piadiana. Ny vokany anefa dia, tsy hisy fanjariana! Fa ny adin'ny poeta, dia ady an-tanam-polo. Ady tsotsotra fa, kosa mampikolo. Miezaka mitaiza, ny zanaka ao am-para. Ny adin'ny poeta dia, soritin'ny tantara! Ny hevitra no hatorany, hiantsampy amin'ny mihaino. Manindrona izy ireny, toy ny lefona mba saino! Noraketiny amin'ny penina, 'zay hany fiadiana. Ny adin'ny poeta dia, tsy misy fiandaniana! Tsy misy fanavahana, saranga sy fiaviana. Tsy misy izany hoe: "Tiana sy tsy tiana"! Fa ady ho an'ny maro, ho an'ny fahamarinana. Ny adin'ny poeta dia, ady am-pitoniana! Ady ho an'ny rariny, sy ho an'ireo marefo. Enti-manasitrana, ireo fo misentosento! Entina mandrava, ny hery ambonin’ny hery! Entina mandrodana, ny ady an-teritery! Ny adin'ny poeta, tsy mora saingy ezahiny. Ka ny ainga izay soratany, 'zay aingan'ny fanahiny, no entiny hizaràna, ny heviny sy am-pony! Ny adin'ny poeta dia, ady tsy mbola hitony. Tsy mbola hifarana eto, fa mainka aza hitohy! Raha mbola misy saina, miezaka mivohy, fanavakavaham-poko, na razana niaviana! Ny adin'ny poeta dia, tsy hanaiky hampangina. Tsy hanaiky hampitony, ny fony sy ny sainy. Ny miteny ihany, an'antsa no mba hainy! F'izany mantsy hono, ny adin'ny poeta. Tsy adiny samirery, fa antsika rehetra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nitia-fa
NITIA FA...
RRAG
NITIA FA... Nahoana ianao ry fo, no mitia izay tsy tia? Nahoana ihany koa, no mikiry hiara-dia, amin'olona nandrava, ny vinavinanao? Fa rahoviana ianao e? Rahoviana vao ho lao? Nahoana ny anjara, no tsy nanaiky ho namana? Nahoana ianao 'lay lahatra, no hoe nanasa tanana, nefa anie mba tia, tena tia loatra izy? Nahoana lahy ry vintana, izato ianao dia nahakivy? Nitia izy anefa toa nosakanan-tendry, tsy hanana safidy. Nitia izy fa nofinganinao, nataonao toy ny biby. Tsy hanan-jo hiteny, tsy hanana fahafahana! Nahoana ny fitiavany, no tsy ho fahasambarana? Nitia fa toa ringan'ny setrasetran-dahatra! Nitia fa nosakanan-tendry, tanaty oram-baratra! Nitia fa saingy, toa diso safidy niantefana! Nitia fa efa toa voalahatra, hiaina am-pahajambana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado_albert/ilay-tiko
ilay tiko
rado_albert
tsy aiko ny anatinao any fa babonao ny aiko ianao irery hatrany no masaka ato an-tsaiko toy ny tsy fahafoizako ahy ny fitiavako anao ka iandry aza manahy fa tsy ataoko kilalao vonona ny hitia sy hanolokolo anao mandrakizay doria sy hatramin'izao ianao ry tiko ilay efa nantenaiko olona efa niriko mba hampamiratra ny saiko ianao no voafidiko mba ihisian'ny mazava manampy ny hoaviko mba tsy ho rava ilay noroko fa ny tanjoko ho tratra fanafodin'ny foko ho lavitry ny ratra ilay nahatokisako foana fa handray ny fitiavako mba hahatonga ahy tsy olompoana fa hanana ny anjarako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/malagasy-ianao-o
MALAGASY IANAO O?
RRAG
MALAGASY IANAO O? Vao miloa-bava ianao, raha sendra nisy nanontany, dia mamaly tsy mihafa, sy toa miteny avy hatrany, hoe: "Malagasy volon-koditra, Malagasy ranoray". Malagasy fiaina ianao, nefa ve mba tena izay? Sahinao ve ny hireha, fa Malagasy Ray sy Reny? Sahinao ny hilaza, fa mbola am-pomba sy fiteny? Ka ny tanindrazanao, no reharehanao hatrany. Ny fitenin-drazanao, tsy havela ho faty izany. Malagasy ianao o! Tsy fiaviana fa aty fo? Ka miezaka hatrany, ho an’ny tanindrazanao aloha. Mitroatra eny rehefa sendra, noràtraina ny maha Gasy. Fa tsy ilay mpipitrapitra, ‘lay mpanao tarehy ratsy! Malagasy ianao o! Ilay Malagasy tia miray? Ka manaiky ny havondron’ny firenena iray. Tsy matahotra manohitra, ny ankasomparam-pahavalo. Raha Malagasy ianao dia, hinoako fa mitovy kalo. Mitovy tanjona kinendry, amin’ny razambe anao. Iray topy ny jinery, dia ‘lay tsy mba mitalaho. Fa mitraka an-kerin-tena, sy miroso tsy mihemotra. Na izany aza ianao, manam-po afa-mandefitra! Malagasy ianao o! Ilay manaja fihavanana? Malagasy fiaviana, toy ireo tapaka sy namana. Ka hiaro hatramin’ny farany, ny maha Malagasy anao. Mba tsy ho simba ny fivoarana, sy ‘zao fanatontolona izao. Tsy handrangitra adim-poko, na koa ny lokom-bolon-koditra. Tsy hosarahan’ny finoana, sy ny ady mampihoron-koditra. Fa hametraka ambony, ny hasin’ny tena Malagasy. Toy ny nataon’ny razantsika, nanao ny rano ho ody basy! Malagasy ianao o! Malagasy ilay voazanaka? Saingy vonona hiady, ho lovasoan’ireo taranaka. Amin’ny fanjanahan-tsaina, famotehana ny fomba. Sy ‘reo mbola kolontsaina, eny hatramin’ny aty rova. Malagasy ianao o! Malagasy te ho afaka? Malagasy anaty fo, sy an-tsaina tsy mitsahatra. Malagasy manan-jo, Malagasy iray fa miavaka. Ka hanaisotra ny taninao, anatin’izato lavaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nanoratra-ho-anao
NANORATRA HO ANAO...
RRAG
NANORATRA HO ANAO... Notinezeranao, ny tenako ry tiana, fa hoe: “Izaho hono, aty dia toa variana, ka nanadino anao, sy ny amintsika”. Nefa anie malala, mba niezaka aho nampita; Hafatra an-taratasy, natokako ho anao! Hafa-manamafy, ny fitia anatiko ao. Saingy niandry valiny, toa tsy nisy mihitsy. Ianao nibedy ahy anefa, toa tsy mba nitsitsy; Nanao teny mafy, nandràtra ny atim-poko! Nefa tsapanao fa, ianao dia tsy foiko. Tena marina e! Nanoratra aho ho anao. Saingy indrisy akia malala a! 'Zay valin-teninao; Tsy mba voarain'ny tanako, na tinazako akory! Dia izaho indray no, lazainao hoe resi-tory. Variana any an-kafa, dia nanadino anao. Malala a! Toa zary mankaleo, ny tsy fahatokisanao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-fahafahana
I FAHAFAHANA…
RRAG
I FAHAFAHANA… Ninoninona ho ambara? Ninoninona ho lazaina? Ny fahafahanao tsy akory, hanosenao ny an’ny hafa! Ka hisy indray any ho any, olon-kafa hitaraina. Toy irony fihetsikao, nizaka fery tefin-dasa. Tsy ny zo hanananao, no hanitsahanao ny azy. Tsy ny tamberin-dasanao, no hikotreham-balifaty. Fa tsarovy, hinio kely tadidiana, irony ady! Moa ianao va tamin’ireny, mba nahatanty? Ka raha afaka ianao, moa tsy mendrika azy koa, ny mba hiaina toa anao, ao anaty fahafahana? Manan-kasina izy, tsy mba olom-bery zo, na dia nisy tao tsy faly, ka dia niezaka nibahana! I Fahafahana sakaizany, fa tsy namany naharitra, nanadino ny niarahana, rehefa sendra faharesena! Nefa anie dia teny ho eny, samy nihafy samy niaritra! Ka dia namari-binavina, hikendry ny ivom-pandresena!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manalokaloka
MANALOKALOKA...!
RRAG
MANALOKALOKA...! Nihatakataka ahy, ireo havana rehetra! Nanositosika ahy, tamin-kery tsisy fetra! Ny hany tonga tato an-tsaiko, dia ‘lay Ray tsy manadino! Ny Reny nipoirako aza, nanilika ahy toa tsy nampino! Moa izy teto tsy nanaiky, fa tsy meloka aho kanefa, mbola nofonjainy ihany, mbola narahan-tsetrasetra? Tsy nohenoina teny akory, nolazaina fa mpandainga! Ny sasany aza nihogahoga, f’izaho no namadika ny bainga; Dia namafy vony ratsy, ka nioty ny navoly! Nisotasota ahy daholo, na anjely na devoly! Fa ny tsy tsapan’izy ireo! Dia tsy lavony aho akory, fa mbola nanana mpiaro, izay ‘lay Ray tsy nahafoy! Ny Tany izao efa nanary, sy nanilikilika ahy, sahiny mihitsy no nitsara, ny hoe haratsiam-panahy! Io nefa izao ‘lay Reny tiako, nantenaiko tsy hisoketa! Tany nipoirako ihany, saingy Reny tsy nitsetra! Ny Lanitra ‘zay Raiko, nampangina ny eritreritro, nanampy ahy tanaty ady, nampitony ny fisentoko! Tsy mba nahafoy ahy, na segaondra iray akory! Fa ‘lay Reny fitarainako, indrisy f’efa resi-tory! Manalokaloka ahy, ny tebitebiko isan’andro. Saingy ‘lay Raiko tia indrindra, nitondra taratra masoandro! Tsy nisaraka ny diako, tsy niala tamin’ny lalako! Nefa ‘lay Reny nanefena ahy, tsy tia angaha? Toa tsy fantatro!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-laitra
TSY LAITRA…
RRAG
TSY LAITRA… Raha mbola hatezerana, no sampana-manasaraka, dia ho foana ihany, raha ao ny zoto-po. Raha toa ka mbola velona, ilay fitia nampiaraka, dia mbola iray hatrany, ny fijerin’olon-droa. Raha mbola ranomaso, no nandrafitra fitia, dia hitsiry hatrany, ny fankahalana anaty. Na koa hoe ny ankaso, no nanakana ny dia, ka tsy ho foana ny tomany, no ireo raha tsy tanty. Raha sendra alahelo, no nandravàna vina, dia hisy fahasorenana, hitoetra hatrany hatrany! Raha mbola mihelohelo, ny alok’ilay tiana, dia ‘lay fanaperana, no efa tototany. Tsy laitra izany ilavitra, tsy afa-mihaona akory, saingy ny elanelana, tsy maharava dina. Satria ny fo miaritra, tsy hoe dia resi-tory, fa eo ‘lay fandeferana, miary vinavina! Ny fo rehefa tia, toa tsy mba harafesina, toy ny volamena, tsy mba mety miofo. Ka raha miara-dia, dia mahay mandray lesona, io ‘lay fandresena, izay efa tsara toko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/masoandro-mpitaratra
MASOANDRO MPITARATRA…!
RRAG
MASOANDRO MPITARATRA…! Sarotra tombanana ny ao am-po, toy ny ivom-panantenana! Ao no fitobian’ny tsiambararoa, nitondra tara-pahazavana! Ao izao no mandry ilay fitia, mitondra fitonian-tsaina. Ao koa kay no miriaria, ny fankahalàna sy ny taraina! Sarotra faritana ny eritreri-tsaina, anaty alahelo! Saingy misy fetra ny herin’ny taraina, ilay minia mihelo! Masoandro mpitaratra ilay tsy manadino, ny fitiavana ny tiana! Fanilo mpanazava ny lalanao ‘lay mpino, ny vinam-paniriana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangidy-kanefa
MANGIDY KANEFA…
RRAG
MANGIDY KANEFA… Kapoka firy no efa natonta, no mbola dodaina ‘reo vesatra hafa? Efa hafiriana aho no hoe boka trosa, ka tinerena handoa ‘rony lasa? Angamba kosa aho nanangam-pahavalo, ka hoe soketaina tsy hasiana hasiny. Nahoana anefa ny hafa no mivalo, dia izaho no lazaina fototry ny ratsiny? Ny fankahalana ahy efa tsy holazaina, fa sao mantsy hampihombo ny fery efa maina. Ny lasa ihany koa tsy hotantaraina, sao koa hampitroatra ity sombin’ny aina. Mafy tokoa ny misedra fiainana, kanefa izany ny fiainana an-tany. Mangidy kanefa tsy maintsy iainana, ka matetika loatra no misy tomany. Mangidy kanefa tsy afaka hofafàna, ny fery mandrakotra ny lasa sedraina! Ny ràtra koa moa dia diso tamàna, masoandro avy aiza no mbola hantenaina?