url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miteny-ny-tanana
MITENY NY TANANA
Fredy Jaofera
MITENY NY TANANA Miteny ny tanana rehefa manoratra, hita ho havanana, sady mamokatra. Miteny ny tanana rehefa mitomany, tsy hay sakanana fa lasa eny ihany. Miteny ny tanana rehefa mamaritra nofim-piadanana mbola tsy aritra ! Miteny ny tanana rehefa mamosaka 'reo ainga manana ny tsapa mitosaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/ranomasim-be
RANOMASIM-BE
Tara-masoandro
Injany, injany fa toa reko manakoako mafy, avy any am-paralalina tsy taka-maso Ilay feonao mambabo, sy manainga ahy avy hatrany, miantso ny fanahiko hifantoka any ho any. Ireo masoko, antsoinao hitodika, hitazana ny hankaton'izato lokonao manga manjopika, tarafin'ny masoandro Ny onjanao malefaka arahina tso-drivotra mampisokatra ny saina, mampanonofy atoandro. Ry ranomasim-be mpitondra lavitra any Andraso kely aho re, fa hanaradia anao Aza avela aho hanirery sy hifikitra eto an-tany Fa ento kosa hibanjina ny tena halalinao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lasa-nody-izy
LASA NODY IZY...
RRAG
LASA NODY IZY... Omaly harivariva, 'lay izy avy nihaona, namonjy ilay ora, nataonareo fotoana, no nisy hafanana, farany ny vatany. Fa lavo nianjera, nazeran'ny ràtrany! Izay nihombo mafy, raha nahare anao, nahare 'lay tiany, nilaza ho efa lao, nilaza fa tsy tia, tsy te hahita intsony. Tamin'iny anefa, no hany nitepon’ny fony! Mafy loatra hono, ny sedra izay lanjainy, ka ny fiainana eto, no zary nankahalainy. Dia nalainy tany an’efiny, 'zay lamba mety hahazaka, nahantony ny tenany, toy ny vono saka! Fa aleony hono, tsy ary raha hijaly. Toa efa maro ny azy, ny hika sy tomany. Nitia tokoa ny fony, sinaingy nampijaliana! Ianao 'lay hany tokany aza, tsy mena-nivadi-dina! 'Zay dina nifanaovana, fa hifamatotr'aina. Nefa nozakainy, hatramin'izay taraina, fampijaliana maro, nataonao taminy. Fe ankehitriny, naleony, namonjy ny akaniny! Lasa nody izy, fa tena leo ity tomany. Rehefa tsy ho anao dia, aleony mitototany! Mandevina ny lasany, any an-tsy taka-maso. Efa ampy ny azy, ny fery nentin'ankaso!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ny-tomanin-ny-lanitra
NY TOMANIN’ NY LANITRA…
AbouNusrayni
NY TOMANIN’ NY LANITRA… Tonga indray ary ity - ilay ranomaso avy any an-danitra, Nandraindraina efa ela - mba hamelombelon’aina Mitondra rano iria-mahaory - atahora-mahafinaritra Mampanahy sao ho be loatra - nefa tena mba ilaina. Endrey ny tavan’ity lanitra - manjombona tomany; Mandrotsa-dranon’orana - mamonto ny tontolo. Moa mizara hatsiatsiaka - ho an’ny androany ihany. Sa arahina kobay - ka dia tsy maintsy ho voa daholo? Ny fahaizan’olombelona - tsy oviana hahatakatra, Ka haminany ny fonosin’ - ito lanitra migodona. Tsy misy na iray - afa-mitompo teny fatratra, Ka ny itsaharan’io haingan’ - ivavaha-mahadodona. Ry Tomponay Tsitoha - Mpanome no sady Mpaka; Mba teneno re ny lanitra - tsy hitomany ela Raha tafahoatra ny figogony - hisy be ny tsy hah’zaka; Ampionony faingan’izy - sao izahay no ho tavela. Vao mitrerona ny kotrok’ - izahay efa miforitra, Mitamberina ao an-tsaina - fa ny tenanay malemy. Ny fitselatry ny andro - d’efa ampy hampihoron-koditra, Mba atsaharo amin’izay re - fa ianao ho enoinay teny. Fantratry ny fo - f’izy ao ambony ao mahay fatra. Mitsinjar’izay sahaza - ho an’ny velon’eto an-tany. Tsy hadino koa anefa - fa ny loza raha mihatra. Dia satria ny olombelona - be saina sy vinany. Mamela ny helokay - f’izahay na mafy loha Na sarotra atoro - sy manao mody marenina. Tsy manan-kitsoahana - fa andeh’ mba ho aiza moa; Anao anie ‘zahay - ka rehefa antsoinao dia miverina. 14_11_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hazo-boboka
HAZO BOBOKA…
RRAG
HAZO BOBOKA… Raha iny amin’ny alina tena mahory, no misy fitia hoe hamono fitiavana. Na ilay sasak’alina renoka tory, no misy mitsaika handom-baravarana. Dia rariny angamba raha tezitra ianao, ka avy hankahala azy tsotra izao! Fa moa ve ny fo ka hainy toherina, tsy hipololoitra fitia hahakasika anao? Raha izany tokoa dia tokony nafenina, naleviny nangina tsy ho tinazanao. Fa tia izy diso, eny eh! Helony izany, nefa moa koa ve ny ampitso, ho omaly ihany? Tsy hisy hahalala ny ambaran’ny hoavy, ary tsy hisy hahatsapa izay fihetsiky ny fo. Fa izy efa babo mamatotra tady, ilay minia mandà nefa tia ihany koa. No hany vao hita ka toherina ahoana? Sa tsy leo nijaliana dia mba te hisaona? Raha iny ianao tomefin’ireo asa maro, no miantso tsy miato ireo naman-tsy foy. Dia ho avelanao hifangaroharo, sa avy hatrany dia vitaina alohany? Fa ny anio tsy ampitso ka hangatahana andro, ka avy hanenina rehefa mody masoandro! Ny tian-kambara dia tsotra ihany, hatreho ny anio fa aza iandrasana ampitso. Ny fo rehefa tia dia vakio avy hatrany, fa sao hamery ka ho maimbo hasiso! Sahia mijoro na dia ho an’ny anio, mba tsy ho zary hazo boboka hondesin-tadio!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-matory-aza
NA MATORY AZA…!
RRAG
NA MATORY AZA…! Raha mbola misy sora-tanako, ka miresaka fitia, dia mbola misy fo mitepo, sy olon-droa miara-dia, mifampizara hafaliana, mifanohan-tsy ho lavo. Ka miaraka mamindra, miara-manandratra ny avo! Raha mbola misy iray tsy may, tamin’ireny diam-peniko, dia hisy fo hamaky hatrany, irony aingan’ny tsipeliko. Hifampitantana eny foana, irony tia sy ny tiana. Ary hitovy nofinofy, ka hiray hatrany vinavina! Na matory aza aho, ka lavon-dahatra sy tendry, dia hisy foana any ho any, olon-kafa sy olon-kendry, hanoratsoratra toy ny ahy, ka hitsabo fo voadona. Tsy ho foana akory ireny, f’izaho dia manana finoana! Na matory aza aho, ka rotidrotika ny nofoko, dia hisy hafa tsy fantatrao, hanohy irony nofinofiko! Dia hitohy ny diam-peniko, amin’ny anaran’olon-kafa. Fa ny ahy ilay taloha, tsy maninona raha voafafa! Raha mbola misy iray mahatsapa, fa mahita fifaliana, amin’irony soratsoratra, sarotsarotra vakiana. Dia tsy misy hatahorako, na matory aza aho! Satria fantatro dia fantatro, fa hisy hatrany ainga vao; Handrafidrafitra litera, ho fehezanteny tsotra! Saingy ireny tefy ireny, no ampingan’ireo osa! Hitrakany sy hitolomany, tsy hilavo setrasetra, ka na hatory aza aho, ny vao hitsiry tsy ho voafetra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/justin-tahirisoa/ny-foko
NY FOKO
Justin TAHIRISOA
NY FOKO Miavaka ity foko, Fo miankoso vato, Vato vatosoa, Vatosoa voaloko, Loko meva, kanto, Kanto tena soa. Tokan-tsarobidy, Sarobidy lafo, Lafo ‘nefa mora. Mora tsy voavidy, Tsy voavidy f’afo, Afo miava-tsora. Fo maraki-tsento, Senton’ilay osa, Osa oriory; Ory ka mametso, Vetso kely votsa, Votsa ngolingoly.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fetra-nalahatra
FETRA NALAHATRA...!
RRAG
FETRA NALAHATRA...! Ry Ray ao ambony, toa mafy loatra, 'ty kapoka hadona, ny foko maràtra. Izaho, mba te hitroatra, nefa miahy mafy, 'ty dona mihatra. Ny lanitra manga, tsy namako akory, fa zavona mainty, no manarona ahy. Ny ali-mangina, zary tsy hahitan-tory. Te hivavaka ihany, fa saingy toa tsy sahy! Matahotra mafy, anao ao ambony, ka tsy sahy hitalaho, hoe hangataka kely. Nefa any ilay tiako, ekeko tsy ho tony. Eo am-baravarana, no miandry irery! Izaho mantsy aty, voafatotra rojo, manala ny sazy, amin’ny raha tsy haiko. Toy ny voajono, tahak'ireo trondro, migadra amin'ny heloka, tena tsy nataoko. Ka nahoana kosa, ny fetra no nalahatra, hanakanana anay, tsy hiara-dia. Hitako mihitsy, fa toy ny tsela-baratra, handraràna fo, handrombona fitia. Dia ny fasana, rindrim-bato efatra, no hany hamatotra anay, mba hiray fitia. Fa izaho ato am-ponja, ‘zay zogan'ny lahatra, fetran'ny hazavana, ilavitra andrỳ.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/samy-vita
SAMY VITA…!
RRAG
SAMY VITA…! Raha madiva hilentika iny iry masoandro ka ‘ndeha hody, kanefa ny fo mbola re fa dia malaina! Dia aiza ho aiza izany, no mety hahita fanafody? Moa ve mbola hoentin’ny ampitso maraina? Raha misy any ho any fitia, noterena hofaranana. Ràtram-po anefa no vokatr’izany! Dia mbola hisy hilaza ve, fa ny fandaharana, nataon’ny lanitra no nitondra ity tomany? Raha hisy fisaonana, hinia hitsiry an’alahelo, fo manakory no tsy ho resin’ny sento? Sa kosa ve hoe: “Milefitra ny vero”, dia amin’ny ràtran’ny sasany no hifaliam-betso? Angamba dia ozona no hianjera, hiraradraraka amin’ny tany. Todim-piainana tsy hananana fanefitra! Ho lena ny tava noho ny hika sy tomany. Fa ny lanitra mihitsy no tsy hanaiky ny hilefitra! Fiaina-mandalo, tetezan-kazo boboka, no lalaovana eto! Ka samia mandinidinika ny efa efa sy natao. Fa rehefa ho tonga ‘lay hika hoe: “Hatreto!” Dia izay samy vita, ny ahy sy ny anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-fasako
RY FASAKO...!
RRAG
RY FASAKO...! Na inona ho ataoko, na aiza no alehako, tsy maintsy any aminao, ny akany hilevenako? Ka 'zay safidiko, izay rehetra ataoko, dia tsy maintsy hiafara, amin'ny fialàn'ny fofon'aiko. Ry fasana akaniko, tsy laviko 'zay vita, fa tsy hiteny kosa aho, 'zay zavatra tsy hita. Satria tokoa mantsy, ianao no fara-fetran’ ny lalana alehan'ny velona rehetra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fasam-pitia
FASAM-PITIA...!
RRAG
FASAM-PITIA...! Tomany tsy lefin'ny taona mandalo, fery miraikitra! Senton'ny fo toa mampijaly, mamela takaitra! Fasam-pitia mijanona ho tsiaro, tahiry ao anaty! Ràtra tsy sitran'ireo tamby omaly, efa tsy ho tanty! Fasam-pitia nandevenana lasa, nofy sy tsiahy! Setran'ny vintana tamin'ny kasa, zary ahiahy! Ringi-tomany ny fo tena tia, nazeran-tsafidy! Latsain'ny nenina tsy mba misy fỳ, mifangaro hidihidy! Fasam-pitiavana ny fo 'zay misaona, tsy lefim-potoana! Satry dia satry ny mba hihaona, nefa ho zava-poana! Mainka aza hanitatra ny ràtra efa misy, mihombo ao am-po! Tena ho fahavalo tsy mba hitsitsy, handoto ny loha! Ny fasam-pitia tsy iza tsy akory, fa ny fo tsy mahatanty! Izy aloha tsy hoe resi-tory, saingy tsy manana ny ampy! Tsy manana hery entina miady, na handraisam-pitia! Tsy sahy mihitsy ny hiladilady, asa, sao fihatsarambelatsihy?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vavaka-mitady-valiny
VAVAKA MITADY VALINY...
RRAG
VAVAKA MITADY VALINY... Miantso aho ry Tompo, mangina ny atim-poko, misento an'alahelo,mijery ity taniko. Mangataka aminao, izay anjara zoko, ho hery hanafahako,hamafa ity tomaniko. Ry Ray ao ambony, fa dia nahoana kosa, ity fireneko, no mbola boka trosa? Nefa ireo harenany, miondrana isan'andro, aiza re ry Tompo, izay anjara masoandro? Ny foko efa hontsa, misento ohatr'izany. Ny gasy miahy mahantra, ny harenany miahy lany. Nefa izay fandrosoana, toa nofy manahohaina. Valio ny vavakay, tahio izahay, “Amen”!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/felan-draozy
FELAN-DRAOZY…!
RRAG
FELAN-DRAOZY…! Misy hika iray mitroatra, maniry mafy ny hivoaka, hazonin’ny atim-po, ka fatorany tsy hiloaka. Mikiry mafy ery, ‘njany, fa hipaika any aminao, dia ‘lay hika iray tam-pony, ‘zay diso fantatrao. Ry felan-draozy fotsy, ilay fitiavany madio. Tsy hihintsana ianao, sanatria, na sendra izay tadio. Miriorio mafy, toa mikendry hanongo-paka. Saingy kosa angamba tsy hainy e! Fa anao izao ny laka. Injay fa toa re, misy antso izany, antsoantsom-pony, ho anao ‘lay felan-draoziny, vony ‘zay tsy foiny. Mamelombelona azy, ka ny vetsovetsony aza, tiany ho anao. Raiso izy, fa fanomezam-po, natokany ho anao, dia ho anao! Ry felan-draozy mena, afom-pitiavana, tsy mba mety maty. Ny redaredanao am-pony, indraindray toa tsy ho tanty. Saingy ianao dia volamena, ‘lay fanafodim-pitoniana. Ny eo aminao, tsy hafaliana foana, fa mba misy koa fijaliana! Injany indray fa reny, hay! Midobodoboka ohatr’izany. Mandrotsirotsy ny fanahiny, ka mandatsaka tomany. Mifamatotra amin’ny ainy, felan-draoziny, toa hafakely. Dia tsy hisy toa anao, raha ny hafa, aleo ho irery. Ry felan-draozy mavokely, fahamatorana ao am-po. Ianao no hany tokana, nahay nizara ny nahasoa. Nahay nitondra ilay fitia, tan-kianjam-pandeferana. Ianao ry vonin-draoziny, ianao ilay tsy ferana. Tsy mba manam-pahataperana, fanilo tokana ao anaty. Jiro ianao, toa hazavana, hazavana tsy ho faty! Mitsilo lalana aleha, mampitony fo voadona. Ry felan-draozy iray mahagaga, hay ianao ka tao foana! Ry felan-draozy manga tsotra, fahatsoram-po ianao. Ka ny diamondra kosa, tsy hitovy toetra aminao. Fa ianao raha toa amidy, lafovidy noho ireny. Saingy ianao Rafandeferana, dia mba mody tsy miteny! Mangina manana ny rariny, tsy hoe tsy sahy miloa-bava. Ao aminao ny tena mariny, fa aleonao, tsy mikotaba. Fa hisy kosa angamba andro, hitroatra hiteny indray ianao. Ka hiheno ny alahelony, ‘zay nosaronan’ny talaho!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-torimasoko
NY TORIMASOKO...!
RRAG
NY TORIMASOKO...! Tonga tsy nantsoina, avy tsy mba niera, manarona ny masoko, ny torimason'ny alina! Misintona ny tena, sady tsy mamela, mamela ny aina, hatory tsy ho malona!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ekeko-ry-tiana
EKEKO RY TIANA...!
RRAG
Valin-kafatra ho an'ny antsa tononkalon'i RADO na George ANDRIAMANANTENA izay nampitondrainy ny lohateny hoe: "TIAVIKO MANGINA". Nosoratany ny 23 Mey 2000. Isaorana manokana i RADO! Mandria am-piadanana ry Ray nikolo sy nitaiza! Nanabe ny fanahy! EKEKO RY TIANA...! Ekeko tsy ankisalasala, ny hotiavinao mangina. Eny hoe tsy hisy mpahalala, na izaho ilay tiana. Saingy ny fihetsikao, mamborak'ahy antsokosoko. Dia maneho fitiavana ahy, eny ry ilay tsy foiko. Malala hoy ianao an-tsaina, toa heverinao tsy ho tsapako. Ny endrikao falifaly, dia mampitombina ny vinako. Tononinao an-tsaina ekeko, saingy vao mijery ahy ianao. Dia efa tsapako sy reko, fa tena tia ahy ianao. Ary ekeko ny fotoana, ao an'eritreritrao. Saingy ampiako toerana hafa, raha mba tena sitrakao. Dia ny ato an'eritreritro, sy ny kianjan'ny nofintsika. Izay ry tiako, hevero hoe mamihina ahy ianao, f'izaho izany mangatsiaka. Ekeko koa ny orohanao, na dia an'eritreritra aza. Tiako ny hofihininao, ekeko nofy, tsy mahagaga. Manaràna fo ianao, fa tsy hisy hanelingelina. Ka ny an-tratranao anaty nofy, tsy an-tery f'efa telina. Ity ny valin-kafatrao, efa reko re 'reo antso. Eny fantatro f'izaho, no niantefan'ny antsoantso. Na tsy niloa-bava aza, ianao nampita hafatra. Tsy asiako resabe, fa amiko, tsy misy fiainan-tonga lafatra. Saingy ao an'eritreritro aho, mety ho an'eritreritrao. Misy feo milaza hoe: "Tianao aho, tiako ianao". Koa ho volamena ity fitia, mitoetra an'eritreritsika. Fitia tsy hisy fiafarany, tsy hifarana tsy ho ritra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-voninkazo-sy-ianao
NY VONINKAZO SY IANAO…
RRAG
NY VONINKAZO SY IANAO… Ny voninkazo sy ianao, iray kanefa samihafa! Samy tsy tia raorao, ary tsy mba mihafahafa! Tia rehefa tena tia, tsy mitaky izay ho tambiny! Fitia feno fa tsy sanatria, efa sisa sy ambinambiny! Voninkazo ianao ry tiana, voninkazo hafakely! Halaviran-karatsiana, kanto amin'ny fijery! Voninkazo tokam-po, tena tia tsy noterena. Ny fitiavanao 'zay soa, no amboaram-pandresena. Voninkazo ianao kanefa, tsy malazon’alahelo! Ny siokanao ‘zay niantefa, no zary aloka nielo. Nanalokaloka ny taratra, ninia nandoro ilay fitia! Izay angaha ‘lay kotro-baratra, nahatongantsika hiara-dia! Ny voninkazo sy ianao, mitovitovy fa tsy sahala! Ianao tsy resin’ny talaho, ny ady koa iaraha-mahalala! Ianao tsy miahotra amin’ny sedra, fa sahy mijoro rehefa tia! Ny fitiavanao tsy mila dera, nefa kanto sady fỳ!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anaka-14070
ANAKA...!
RRAG
ANAKA...! Toa nataoko ny nangina, saingy efa aty an-tenda. Tsy notoheriko ny vina, nefa tsy mahatanty sedra. Izato ianao mimamo foana, efa mila ho any an-tatatra. Mandeha anefa ny fotoana, ny ady ho hatrehina tsy hitsahatra. Anaka! Ny tanjonao tsy misy vita, toa ilavitra kinendry. Izay tontosa na tsy hita, dia lazainao voatendry. Dia ny lahatra no nosotaina, omena tsiny ny Andriamanitra. Nefa ianao no tsy misaina, raha fahendrena toa mahantra! Anaka! Tsy ny vintanao tsy akory, no hoe ratsy na nosotaina. Fa ianao 'lay resi-tory, no nilaozan'ny maraina. Notebahin'ny namanao, ilay nahavita dinga-maro. Nefa ianao hatramin'izao, tsy maharak'izay kalo! Dia mandihy tsy ami-mozika, mihirahira tsisy tonony. Ka rehefa andro mangatsiaka, vao miboridana ho hitan'olona. Mieboebo raha tsy hay, mideradera ny tsy an'ny tena. Ry zanako! Rahoviana ianao vao fay, fa tsy mba hahatsiaro-tena? Anaka! Miovà fa tonga ny ora, miheverà tena re e! Eo ovao moramora, ity toetra ratsy e! Fa tsy hananam-paharoa, ny fotoana toy izao. Sao rehefa injay ka voa, vao hoe sintony aho! Anaka! Tiako loatra izany hoe, mahita maso anao miova. Raha mba sitrakao re! Ndeha ialao izato fonja. Fonjan-ditranao ry aiko, namatoranao ny lasa. Ka hilamina ny saiko, raha hovainao kasa! Anaka! Ianao no sombin'ny aiko, famatotry ny foko. Ianao no lalaiko, ka namoizako ny zoko! Ka raha sitrakao ry tokana, ‘ndeha hanova ny famindra. Mba hanorana ny folaka, dia ny ampitso ho tsara rindra. Satria ianao 'lay zanako, no hany tena tiako indrindra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sendra-ny
SENDRA NY...!
RRAG
SENDRA NY...! Raha sendra mibaliaka ny andro maraina. Ny taratra hazavany mameno ny saha. Dia miarena fa aza malaina, ny hiatrika ady dia mba sahisahy! Raha rakofan-javona ny maraim-baovao. Aza matahotra fa sahia miroso. Haizina ve no hatahoranao, hahatonganao tsy hety handroso? Raha sendra tomany ny fo malahelo. Dia tanisao ny soa mba ho hitany. Ka 'reo lasa ratsy miseho mihelohelo. Hinoako fa tsy ho sakana fa ho voadingany! Kanefa raha sendra ady mafy ny fo. Voleo ihany hitsiry Rafanantenana, amin'izay mbola hioty ny mamy sy soa, any anatin'ny fiainan’ny fahamarinana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tinapaka-ny-tady
TINAPAKA NY TADY...!
RRAG
TINAPAKA NY TADY...! Toa nofy ratsiko iny, manindrona ahy mafy, manakana ny tongotro, tsy hiroso hanatona azy. Ny foko mitomany, toa hila tsy hahatanty, mahatsiaro ireo sangy, miary vazivazy. Manindrona ahy ny ainga, tiako hampitaina. Ny lasa toa mamatotra, ny saiko tsy hifoha. Angamba nofinofy, mihazona ny saina. Nefa toa tsaroako, hatramin'ireo taloha! Dia tinapaka ny tady, fa handao hono ianao. Sady tsy mba mampamangy, fa veloma tsotra izao. Nahoana no tsy hitomany, ny fo anie ka tena tia e? Mbola voafatotr'ireo lasa, nefa ilaozan'ny fitia! Tinapaka ny tady, ny ranomaso no harotsaka. Kotsa koa ny tava, ny tia toa tsy nangoraka. Fa veloma foana, no asesiky ny vavany. Tsy rototra akory, jereo anie 'ty tavany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hoy-ianao-taminy
HOY IANAO TAMINY...!
RRAG
HOY IANAO TAMINY...! Marary aho ry tiana, toa resy sahady. Midoboka mafy, ny foko ato anaty. Rava ireo vina, noho ‘reo adiady. Ny fitiavana mihitsy, no toa efa maty! Izy amin'izany, toa alim-pody. Isan'andro mamolava, sy mamono vady. Efa lehilahy, tsy mataho-tody. Raha sendra tsy mamo, dia mamorona ady. Misento mangina, ny fo malahelo. Mba nanantena, ny fiovànao. Injany tsy miato, fa miahy mihelohelo. Izato nofy, nofin-talaho! Indro tenikely natsipiny anao. Raha fandeferana, toa manam-petra. Ny azy ny fony, efa leo nitalaho. Ka ho hafoiny anao, ny lasa rehetra. Mihovitrakely ny vavany hiteny. Saingy efa vonona, ka niloa-peo. Efa maty am-pony, ireny lasa ireny. Ka handeha hoy ity izy, ny lalanao jereo. Veloma tsy satry, fa saingy ho atao. Lasa ny tenany, tsy ho eo intsony. Lasa re izy e! Ka eo ny tranonao. Hovoleny any an-kafa, 'lay raozin'ny fony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/elaela
ELAELA...!
RRAG
ELAELA...! Misento malahelo, manina anareo, ity tanànantsika, ivereno mba jereo. Fa mangina loatra, toy ny misaona, tongava re aty, fa ela no tsy nihaona! Elaela marina, no tsy nifankahita, mbola ho ela ve, ny fianarana vao ho vita? Fa tena manina ny aty, malahelo ireo koràna! Mitomany sy misento koa, fa mahatsiaro ity tanàna!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fototraina
FOTOTR’AINA…!
RRAG
FOTOTR’AINA…! Ny rano an-doharano, madio mangatsakatsaka, mamaky haram-bato,manarakara-kady. Irony ranomamy, tinaza-midadasika, eny an-dranomasina, vao ‘njay mifampitady! Hafa ihany lahy, ny voatran-Janahary, fa miavaka sy tokana, kanto ohatr’izany! Tena tsara voatra, sady tsara kajy, fototry ny aina, mamelona ny tany! Ny orana mirotsaka, mampiaina voary, mamelombelon’aina, ny voly manontolo! Ny hain-tany anefa, isan’ny mampijaly, izay rehefa vendrana, adala tsy mikolo! Tsy mitsinjo hoavy, tsy mijery fiafaràna, dia ny doro tanety, no ampanjakaina! Ny rano tsy misy, eny, manjaka ny hafanana, nefa mbola toa tsy taitra, ny tsy manan-tsaina! Rano! Rano! Rano fototr’aina, ilain’ny zavaboary, sady manankasina! Koa mitsangàna, ovao ny toe-tsaina, ka hiaro ireo rano, ranomamy, ranomasina! Izy ireny mantsy, mitahiry harena, mitahiry soa, ‘zay sompitry ny aina. Ka izaho sy ianao, no ilain’ny firenena. aoka izay! Mba re tonga saina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/angamba
ANGAMBA...!
RRAG
ANGAMBA...! Tsy afaka aho ny hitsara, tsy afaka hanameloka. Tsy afaka ny hilaza, izay an'eritreritro. Tsy afaka hitsikera, izay ambaranao. Angamba efa lava, ny ady izay natao. Raha ny taza-masoko, tsy hitako ny ambara. Ny eo am-pelatanako, tsy ahafahako mizara. Dia sakantsakan-dava, ny iainako eto an-tany. Angamba ny fiainana, no efa kianjan-jaly! Angamba koa ny tia, ilavitra ny tiana. Angamba ny alahelo, efa tsy mahavariana. Ny fo dia malahelo, angamba manirery. Ihany koa izay tia, manafosafo anaty jery!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-misy-manenjika-aza-aho
NA MISY MANENJIKA AZA AHO!
RRAG
NA MISY MANENJIKA AZA AHO! Fantatro fa, tsisy antenaiko, raha mbola eto an-tany. Ekeko hoe, ireo fery zakaiko, dia fakan'ny omaly. Rantsan-tsy tapaka, mamatotra ahy, ho sakan'ny ampitso. Raha ny fiheverako, hanam-pahafahana, dia toa hevi-diso! Na dia enjehina aza aho, manam-piahy, tsy miady irery. Ny omaliko, ny anio, ny ampitso, tsisy ahiahy, fa misy mpijery. Tsy ny vola an-tanako, na 'reo harena, singa tsy hananako, no hanavotra ahy. Tsy ny akanjo an-koditro, na ny firenena, izay itoerako, no mety hanova ny fanahy. Fa ny finoako, ny fanantenako 'lay fahasambarana, izay tsy eto an-tany. Nolohofam-pandeferako, tam-panenjehan'ahy, 'zay zary lasa akany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/asakasakareo
ASAKASAKAREO
IARANTSOA Mahefa
ASAKASAKAREO Asakasak ireo tsy miraika amin' ny antson' ilay olon-tiana. Asakasakareo 'zay tsy maika hamonjy ny tany fodiana. Asakasakareo tsy hamaly ny hiakan'ny fo sasa-miandry. Asakasakareo hampijaly 'lay tiana tsy tafandrimandry. Asakasakareo 'zay tsy manina miseho tsy ho tratry ny nenina. Asakasakareo mody fanina antsoina manao be marenina. Asakakareo sahy hitsipaka ny lohan' ny laka-nitana. Asakasakareo' zay hanitsaka ny dina sy voady mafana. Asakasakareo fa... ny fitiavanareo mora maty motontona dia miparasaka... Fa ny anay tafalatsaka anaty fitiavana tsisy asakasaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maraim-baovao
MARAIM-BAOVAO...!
RRAG
MARAIM-BAOVAO...! Hafa ihany ilay maraina, na mafy aza ny ady omaly. Ilavitra ahy ny taraina, ny tavako aza toa mba faly. Ny enti-miady aina vao, ainga sy teti-pahavononana. Ka vononà izato ianao, sahia miady ho an'ny ankohonana. Maraim-baovao mitondra taratra, mitinaratra ny fiainana. Maraina toa ilavi-baratra, nanovàna ny fisainana. Manazava ireo tolona, sy ireo sedra hodikaina. Ilay nanenjehan'olona, ka nivadika ho taraina. Maraim-bao manala tehina, nitondra fahafahan-tena. Maraim-baovao nisosàn'ny penina, mba ho hikam-pandresena. Nandroso hevitra vaovao, fa hiatrika ady hono ianao. Nalavirin'ny talaho, hafa ihany, ilay maraim-baovao. Indrindra moa fa eo ianao! Dia miavaka ity maraim-baovao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mpianatra
MPIANATRA...!
RRAG
"Arahabaina tratry ny asaramanitra e! Tratry ny taom-baovao Malagasy avokoa isika Malagasy tsy misy hanavahana!" MPIANATRA...! Vao miandoha ny taom-pianarana, kamokamo ny atin-tsaina. Ny fisoratana anarana, manorisory mampalaina. Dia vao tonga an-dakilasy, manoaka sy mitabataba. Ny te hianatra no mihafy, sendra adala be kotaba. Ny fakan-drivotray, sigarakely, tenin-dratsy. Nefa ny tena tsy mahay, tsy mahagaga ny naoty ratsy. Fa ny tena tiako indrindra, ilay maneno lakilosy. Dia mibitaka famindra, faly, fa hiara-kody hifampitosy. Ka rehefa an-dalana eny, mitabataba ohatr'izany. Sendra misy mba miteny, dia ompaina, roràna tany. Ny arabe dia feno anay, mimenomenona ireo mpamily. Voadona mihitsy indraindray, nefa mbola tsy mivily. Rehefa tsy afa-panadinana, vao nahatsapa tena. Voadona teny am-pisidinana, dia mibaby faharesena. Dia manenina amin'ny vita, mitomany saingy tara. Sendra namana tafita, vao mahatsapa fa tsy tsara. Ny mpianatra mazàna, mieritreritra tanora. Miaina anaty hadalana, saingy tsy hainy io fa fonja. Tsy manenina amin'ny ditra, raha tsy sendra hoe voadona. Ny hadalana tsy ho ritra, ny revirevy koa tsy foana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-tena-fantatrao
EFA TENA FANTATRAO
RRAG
Valin-kafatra kely ho an'i DOX amin'ilay antsa tononkalony nampitondrainy ny lohateny hoe: “ILAY TSY FANTATRA HO FANTATRA”. Nosoratany ny taona 1942. EFA TENA FANTATRAO Eny, efa tena fantatrao, ny fiantso ahy izao. Anaran-tsotra tsy mba miavaka, hafa ihany i Kala Ravaka. Fa ny ahy dia Vero tsy hanampiana, tsisy fanampiny hosafidiana. Tsy anaran-draozy na koa lisy, ratsy anarana aho indrisy! Lazaina hatrany fa milefitra, nefa aho tsy dia mandefitra. Ka zary anarana mandràtra, mamorom-pery toa mahazatra. Folaka ihany aho kinanjo, leon'ny setra isan'andro. Ka ilay ho antsoinao hoe Tiana, dia hinoako, fa mbola hitondra fijaliana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sorona
SORONA...!
RRAG
SORONA...! Raha sendra ianao mandeha, mandalo Moramanga, mahita tsangambato, tsiaron'irony ady. Mijanonà kely, ho tsiahin'iretsy olomanga, resy an-tanam-polo, noho ny dika fady. Nirehitra ny tolona, romotra ny olona, tezitra ny Gasy, niady na dia tsy tamim-basy. Sahotaka ny tany, ny Gasy tena vonona, fa sendra ireo mpamadika, dia maro teo no maty. Tanaty lamasiny, tanaty ala maro, tifitifitra tsy miato, nandripahana 'reo olona. Gasy kely mba nitolona, tsy nisy mba niaro, fa 'lay rano! Rano! Rano! No namonoana vorona! Dia zary lasa sorona, ity tanàna kely. Rà mandriaka ohatr'izany, no nandoko ity akany. Fatin-jaza amam-behivavy, tsy mampite-hijery. Fatin-dehilahy maro, mahalatsaka tomany! Faty rotiky ny bala, trano ravan'ny tafondro. Ady tsy hifankahitàna, nanaovan-tsorona ny gasy. Ka 'reo namana namadika, no tsy niahotra nanondro. Nampamono ny havantsika, ka mody tsy nitana basy. Kanefa re ry Malagasy, nofinofy sisa ireny, satria ankehitriny aza, mampigadra ny miteny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-ianao
RAHA IANAO...!
RRAG
RAHA IANAO...! Ry fitiavana, raha heloka ianao, aleo aho helohina, hibaby ny vitako, hizoga ny sazy, izay mendrika ahy. Ka ny fahatanorako, dia fonjan'ny fiainako, nefa tsy ho voadingana, tsy afaka ho fafana, eo amin'ny lalako, 'ty isan'ny sedra mampiahiahy. Raha ianao no fonja, aleo aho hiantrano, ao aminao, ao aho no handry, hanorim-ponenana, mandrakizay. Avelao aho re e! Avelao aho mba ho ao! Mba mitalaho, fa mety ho samihafa mihitsy, ny ao aminao, sy ny any aminay! Raha ianao no rano, aleo aho hilomano, hanadio ny tenako, hanasa ny lasako, hamafa ny ràtrako, tsy tiako hifoha, hikosoka mihitsy, hanafoana tanteraka, ireo niainako. Ireo fijaliako, eny, na dia ny hafaliako, tamin'ny taloha! Raha ianao no fasana, dia inona no andrasana, fa aleo aho handeha. Aleo aho ho faty, fa mety tsy ho tanty, izany ilavitra anao. Ka tsarovy izao, fotoana izao, fa rehareha. Reharehan'ny foko, raha ny hitoetra, ao aminao! Raha tsy misy ianao, aleo koa ho banga, izay antom-pisiako. Ny sora-piainako, tsara fafana, kosehana mihitsy aza. Satria tsy eo ianao, ilay foto-piainako, tontolom-paniriako. Ka amiko, na izao tontolo izao aza, tsy ahoako na dia rava! Kanefa raha rivotra ianao, tsarovy izaho, fa fiainako ianao. Famatotry ny aiko, tena ilaiko, ho eo mandramaty. Ka averiko indray, ry fitiavana anatiko, izato talaho. Ny hijanonanao, fa raha ny tsy anilanao, dia tsy ho tantiko! Ireo dia midika, fa sarotra amiko, ny ilavitra anao. Tsy vitan'ny foko, izany miaina, tsy misy anao. Ka raha tsy eo ianao, dia aleo samy foana, izaho sy ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lasa-ianao
LASA IANAO..!
RRAG
LASA IANAO..! Indray taona toy izao, sahalahala volon'andro, no nahitako anao, mitovy ora-pamataranandro, tamin'ilay roa taona, 'zay roa taona efa dify, ka nifandaozantsika. Ilay ririnina, ianao tanaty akanjo izay nanify, tsapako fa tena nangatsiaka, sady mbola sendra orana, orambe nivatravatra, ianao ilay nofihiniko, nofihiniko mafy teny an-tratra! Ankehitriny hono nofy, tsindron-defona mandràtra, ilay fofonao nitosy, tsy mba tia nihafahafa, 'reo orokao 'zay tena mamy, natolotrao ireto molotro, saingy anio toa fasan-tany, no nataonao ho soloko. Nandaozanao ny akany, namelànao ahy irery, tao anatin'ny tomany, tsy hisy intsony izay mpijery! Lasa ianao! Nalavon-dahatra nangina, nofinganiny mihitsy. Tsy eo ianao! Ianao 'lay olon-tiana, sendra tendry tsy nitsitsy. Zary kapoka nandràtra, ny atim-poko mbola tia! Sedra mafy tsy nahazatra, 'ty nalavirin'ny fitia! Saingy ny foko mbola tia, nefa inona no ataoko? Raha ho any am-pasana ny dia, toa lalana, mbola tsy haiko! Lasa ianao! Nalavon-tendry sy ny anjara, toa tinery fa tsy satry. Lavo ianao! Ilay tokana malala, novoadiana mandramaty. Dia ny fasana no akany, natakalonao ny foko! Na izany, indro teny mamy, ianao dia tsy foiko! Satriko dia satriko, izany anilanao hatrany, kinanjo ry tiako! Izay ny anao ny eto an-tany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-moa-ianao
IZA MOA IANAO...?
RRAG
IZA MOA IANAO...? Mba gagagaga ihany aho, mandinika 'ty foko, tsy mba nahatana tena, raha vao nahita anao. Zary isan'androko, lasa namana tsy foiko! Mba manontany tena aho hoe: “Iza moa ianao?” Mientana avy hatrany, ny atiko rehetra! Mihovitra ny tenako, eo akaikinao. Ny afo izay mirehitra, toa tsy manam-petra. Hafa mihitsy izany hoe, eo anilanao! Iza moa ianao, no dia tsy tanako ato? Tsy tanako ato am-poko, fa mainka mitroatra. Iza izato ianao, midoboka tsy miato? Nosakanako ihany, saingy mbola tafavoaka. Iza ho’aho ianao, mampientana ny foko, manosika ahy hitia, raozy toy izao? Iza ity ianao, mahafantatra ny zoko? Hafa ihany anefa, ny mbola misy anao! Dia ianao r'ilay fitiavana, tokana madio. Miavaka, hafa sampana, namako tsy foiko. Ianao ekeko, indraindray, mitondra koa tadio. Nefa tena namana, isan’ireo tsy foiko! Ry fitiavana, iza moa ianao, tsy mbola tena fantatro, tsy mbola tena haiko? Mifamatotra amiko, eny hatramin'izao! Ianao koa 'ndraindray, no mibaiko ity saiko. Fa iza moa ianao? Eo re mba lazao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kitozanantitra
KITOZAN'ANTITRA…
RRAG
KITOZAN'ANTITRA… Ateliko e! Ateliko! Tsy misy taola-mafy. Averiko hoe! Averiko! Fa tena oza-maty. Tsy hita hokaikerina, tsy efa hotsakoina! Tsy hisy fahataperana, eny, na tsy hisy aza hakamoana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-avahana/banjininao-maharitra-amin
Adimaso
Tsy Avahana
Banjininao maharitra amin'ny masonao ny masoko dia indro mitamberina avy any am-parahatoko 'Ny kilalao fahiny fanaonay fahazaza...! (Nataonao koa angamba) "Lay hoe mampiady maso" Tsy very ny tadidiko...fa zavatra tsikaritro matetika no resiko ny mpifanandrina amiko fa na mikimpy alohako, na mihodina avy hatrany...! Tsy haiko tamin'izany Hoe inona no antony fa resiko ny mason' izay mifaninana amiko amin'ireto mpilalao. Nataoko mbola ao 'lay hery anatiko ao nony injay mifampijery ny masontsika roa..! Indrisy fa tsy izany...hafa ny taloha Fa vao banjininao amin'ny masonao ny jeriko Dia reko mihena ny heriko...! Banjininao maharitra amin'ny masonao ny masoko dia indro mitamberina avy any am-parahatoko Ny kilalao fahiny Resinao ny masoko ry tiako sy lalaiko Babo hatramin'ny foko, resy hatramin'ny saiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-ianao-rilay-tsy-fantatro-anarana
TIAKO IANAO, R'ILAY TSY FANTATRO ANARANA...!
RRAG
TIAKO IANAO, R'ILAY TSY FANTATRO ANARANA...! Ianao 'lay teny an-dalana, miaron’akanjo volontany. Tovovavy tena manja, raha mitsiky toy izany. Izato fibaben-kitapo, somary atao mirirandrirana. Ny endri-tavanao angamba, no iantsoako anao hoe: “Mirana”. Nefa toa tsy izany indray, fa dia miavaka famindra. Sa ianao ry anjelikely, no ilay hoe: “I kala Rindra?” Ianao 'lay teny an-dalana, no nifanena isika roa. Tovovavy iray miavaka, asa raha ianao no “Vatosoa”? Saingy mbola hodisoiko, izato anaranao nomeko. Satria tokoa mantsy, raha ny fijerinao ekeko, fa ianao ilay “Sariaka”, toa falifaly lalandava. Ny harerahako nandreraka, nahita anao dia nisava. Ka tsy mahadiso ahy, ny miantso anao ho “Sitraka”, satria aho tsy mahita anao, dia tena tsapako fa vizaka! Ianao ilay miresaka, mitafatafa toy ny mibitsika, amin'ireo namanao, dia izaho no mangorintsina, ka mba maniry ny hiantefany, hiantefan'ny akonao. Tiako ianao r'ilay tsy fantatro, fa mba iza moa ny anaranao? Sa ataoko hoe: “Malala”, ka hampientana ny foko? Nefa moa raha “Tiana” indray, dia amin'izay toy ‘lay tsy foiko. Tiako homena anao daholo, ireo anaran-kanto indrindra. “Mirana”, “Vatosoa”, “Sariaka”, eny hatramin'ny hoe: “I Rindra”. Saingy tsy mahafehy anao, izay anarana hotononiko. Na ho asiako “Malala”, eo koa ‘lay “Tiana”, sy ninoninona hoforoniko. Dia hafa ihany ny tena anao, eny, tsy afaka holazaiko. Satria ny anaranao 'lay kanto indrindra, tena mbola tsy haiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-sendra-sorena
RAHA SENDRA SORENA...!
RRAG
RAHA SENDRA SORENA...! Raha sendra sorena ny tena indraindray, ka mieza-mampitony ny fo efa hitroatra. Dia mba tsarovy fa any misy iray, olona tokana hanome anao mihoatra. Fitia iray mihoatra ilay nandràtra anao. Olona tokana hafa fijery! Saingy io ilay tena tia, tena tia anao. Fitiavana madio tsy misy teritery! Raha sendra sorena ianao indray andro any, na koa malahelo ny lasa rehetra. Dia aza hadinoina fa any ho any, misy fitia iray mbola mitsetra. Raha sendra tomany ianao any ho any, tsy misy mosoara ho famafa ranomaso. Dia aoka ho tsaroana fa ny eto an-tany, fiaina-mandalo tontolon'ny ankaso.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-mba-tazanina
TIAKO MBA TAZANINA...
RRAG
TIAKO MBA TAZANINA... Toa aloka mandalo, miserana an-tsegaondra. Toy irony kalo, tsy re efa aman-taona. Ny endrikao ry lisy, rava-jaridaiko... Saingy nefa indrisy, tsy ho afaka ho halaiko. Tsy afaka ny otazako, fa zary nofinofy. Nofin'ity aliko, izany mba hitosy. Ilavitra tsy takatro, tsy mahare ny antsoko. Aiza ianao Rahavako, fa milanao ny akaniko? Mba miverena faingana, raha azonao atao. Saingy indrisy ry aiko, nofy efa mankalao. Mandoro toa tsy tana, mamatotra ny tena. Hisaraka aminao, 'lay ivom-pandresena. Niandrasako efa ela, hitondra singan-taratra. Saingy nofy angamba ny ahy, nofim-pahavaratra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-androm-pandresena
ILAY ANDROM-PANDRESENA...!
RRAG
ILAY ANDROM-PANDRESENA...! Raha tamin'ny andro fahagola, tany an-tanin-Jiosy tany, dia andro miavaka sy tokana, izany hoe Paka izany. Fotoana hisakafoambe, mofo ary koa divay, fa taty aoriana kosa, niova izay fety izay! Lasa androm-pamonjena, nitsanganan'i Mesia. Tsy iza moa izy izay, fa i Jesoa Kristy. 'Lay nisorona ny ainy, teny an-kazo fijaliana. Novonointsika mihitsy, tao anaty vinavina! Tombantomban-toetra, tsy nohevirintsika diso. Tsy nampoizintsika ho ota, ka hivaly rahampitso. Saingy iny andro iny, andro zary fahaterahana. Dia 'lay Paka andro tokana, izay androm-pahafahana! Ô ry Pakam-pandresena! Fanovàna sy fiovàna, andro iray malaza ianao, ka tena mendrika hideràna. Hideràna ilay Nahary, namindra fo sy tiantsika. Ny zanany aza tokana iny, dia nafoiny ho antsika! Ry paka androm-pahazavana, sady androm-pamonjena. Ny Tompo nitsangana ho anao! Mba hisian'ny fandresena. Dia miendri-panandratana, ny anaran'ilay Ray. Derao izy, derao ny Tompo, ho fiadanana mandrakizay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fara-teny
FARA-TENY...!
RRAG
FARA-TENY...! Maro no nisakana, namingana ny tena. Tsy vitsy no nibahana, hanosika hianjera. Hamotika ny fototra, hanongotra ny faka. Toy ny olo-romotra, te hahazo laka! Te hanjaka irery, te handrava ny efa! Tsy ankiteniteny, fa avy dia hisetra! Teny farany anefa, teny tokana no ambarako. Fa tsy misy afaka hametra, izay fiainana anjarako. Tsy misy afaka hamaritra, izay lalana holalovako. Tsy misy afaka ny hiaritra, ny fery am-piainam-pandalovako. Ka ny hola-periko tsy tony, mety tsy ho sitra-mandramaty! Fa fara-teny dia tsisy intsony! Ny fanantenako tsy ho faty!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-foko
RY FOKO...!
RRAG
RY FOKO...! Ry foko, fa dia nahoana kosa re, no midoboka ohatr'izany, miredareda toy ny afo, ny anatiko rehetra? Nefa izaho sy ianao fahiny, tsy nahalala izay tomany, ny filàm-banina aza, tena toetra tsisy fetra! Tsaroako ireny aho vao nitia, tsy nanisy lanja akory, ny hasarotam-piaron'iny tovovavy tiako iny. Asa, ianao mihitsy angamba, no mbola tena resi-tory, ka tsy mahatsapa tsara, fa tena tia ahy izy iny! Ny hasarotam-piarony e! Nahasorena ahy 'ndraindray. Ireo fandraràna sesehena, noheveriko, tsy ho fitiavana ahy. Dia ady foana no mamarana, ilay fotoana ihaonanay. Ranomaso no eny an-tavany, izaho anefa, tsy niahiahy. Tsy nihevitra akory, fa tena tia izy iny. Tsy nandinika ny fihetsika, feno tambitamby avy aminy. Ankehitriny anefa, dia mifoha ny fahiny. Izaho 'lay nampijaly azy, no tena saro-piaro aminy. Ry foko, tsapako, eny, tena tadidiko! Sady toa manaikitra ahy. Ireo setrasetran-teniko, nandràtrako azy iny. Misento, marary, hontsa hatramin'ny fanahy. Vao mitamberina manindrona, anao ry foko ireo fahiny! Ry foko, ny antsoantsoko aza, toa tsy reny intsony. Efa kivy tamiko izy, tsy te hahita ahy akory. Ekeko, tsy nanalavitra ahy ny tenany, fa kosa raha ny fony! Tena tsapako fa reraka, dia niverina natory!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-paka-toy-izao
'LAY PAKA TOY IZAO...!
RRAG
'LAY PAKA TOY IZAO...! Ekeko fety masina, ny Paka toy izao, saingy hafa ihany, ilay Paka lasa izay. Teo no nahitako, 'lay tena endrikao, ianao 'lay nandalo, teny akaikinay! Iny Paka iny, no Paka fahavelomako, nitsirin'ny foko hitia, hitia anao mpandalo. Iny Paka iny, no nanomboham-pitolomako, ka nanolorako fitia, anao tanaty kalo! Hafa ihany lahy, raha iny Paka iny, Paka fahatsiarovana, ny nahitako anao. Amiko tsy hisy, andro toa iny! Ankehitriny aho mantsy, dia eto anilanao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-avahana/dia-tsy-haiko-mihitsy-aki
Dia tsy haiko mihitsy aki
Tsy Avahana
Dia tsy haiko mihitsy akia, ny tena tiako hatao fa satriko hosoratana amin'ny taza-maso rehetra ny anaranaranao. Izay azo asiana soratra toa tiako hasiana hoe: F...mira T....! Ny rindrina rehetra, ny boky 'zay vakiko hatrany an-dalan-tsara, ka hatreny an-doha fandriako Toa satry izany foana 'zay rehetra rehetra hita dia hisy marimarika amin'ireto anarantsika...! Tsy tandritandriko aza ny fihetsiky ny tanako Dia ny loha anaranao sy ny fiantombohan'ny anarako no indro nahavitako kisarisary fo...! (tsy fantatro hoe nahoana) Dia tsy haiko mihitsy akia izay nahazo ahy tato ho ato fa rehefa azo asiana soratra...na hazo izay na vato (rehefa hoe takelaka) Dia satriko hofenoina ny anarantsika hoe: F....mira....T
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-isika-roa
REHEFA ISIKA ROA
Fredy Jaofera
REHEFA ISIKA ROA Rehefa isika roa no miray fanahy amin'ny fiainana dia marina tokoa, tsy azon' ahiahy, fa iray fisainana. Rehefa isika roa no miray tigetra amin'izay aleha, inoako tsara koa fa mitovy toetra masina eto ange. Rehefa isika roa no miray safidy amin'izay ekena dia ho zava-tsoa hita ho sarobidy iny fandresena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-lalanao-iny
INY LALANAO INY...!
RRAG
INY LALANAO INY...! Ry sombin'ny ainin'i Neny, aza mitomany, fafao 'ty ranomaso, fa aleo izy ho any. Izy no tsy tia, mitotoa koba hatavy! Izy ve no handao, dia ataonao hampanavy? Tsapako tanteraka, ny alahelonao, nefa! Aza atao mahaketraka, raha ady toy izao. Fa mbola hisy ihany, taratra hazavana. Mbola ho lefy ity ririnina, ka hiova hafanana! Iny lalanao iny, efa nolalovanay, fa tsy hisy sedra, ho mandrakizay. Tsy hisy ady izany, hoe mandramaty, raha tsy hoe, fery efa anaty!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/oly
OLY...!
RRAG
OLY...! Ny anaranao tsy vitsy mpanana, fa hafa raha ny toetranao, tsotra tsy miavonavona, sariaka hatramin'ny endrikao. Izato tavanao mitsiky, maneho fahatsorana ohatr'izany. Ny fetram-piainana manify, no tsy andatsahanao tomany! Somary asianao sangy kely, hanihany koa 'ndraindray. 'Lay masonao tia jery, maneho fahatokisana anay! Dia avy koa ny tambitamby, angotingoty re izany. Fantatrao fa samy, tsy hiaina ela eto an-tany! Oly, io no hiantsoana anao mazàna, rehefa mba hitady anao. Ny tsikinao dia mahatamana, mpinamana isika hatramin'izao! Anaran-kanto manambara, fahatsoram-po indrindra. Maneho fitiavana ao anaty, tsara rary tsara rindra! Anarana milaza, fandeferana ao anaty. Oly, ny anaranao, dia ao am-po mandramaty! Tsy voafafan'ny elanelana, na voasolon-taona maro. Anaran-tokana ny anao, dia Oly, ka tsy mety hafangaro!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-tsy-tanteraka
FITIA TSY TANTERAKA...!
RRAG
FITIA TSY TANTERAKA...! Nikiky mafy ny atiko, nanindrona ny foko. Nandona ny fanahiko, fa ianao ilay tsy foiko, no tsy tia ahy, toa nandositra ahy. Ka fo ahoana moa, no tsy mba hiahiahy? Ny anaranao tsy maty, ny jerinao mitoetra. 'Lay tsikinao niantoraka, noheveriko tsy hisy fetra, saingy kapoka amiko, ny nitia anao. Ràtra anatin'ny aiko, 'lay fitiavako, nataonao kilalao! Fitia tsy tanteraka, ny ahy sy ny anao. Zary faka ratsy, ao am-poko ao. Ka hohadinoiko, 'lay endrikao sariaka, satria n'inona ho ataoko, dia nofy ny amintsika!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-avahana/izay.....no
IZAY.....NO......
Tsy Avahana
Ny topi-maso kely nifanomezantsika no nampifoha indray ny masoko natory ny tsikinao niserana tanaty iray minitra dia ampy nahafoana ny taonan-tsorisory Ny asa soratrao no tiako hosoratana ny ainga anatinao no ainga tiako hateraka ny ao am-ponao ao no tiako hifanarahana hiombona amin'ny foko 'zay tia anao tanteraka Ny andro iainanao no andro tiako hiainana 'zay nofinofinao no tiako honofisina 'zay eritreritrao no iriko mba hosainina ny maharevo anao no satriko hodinihina ny fifalianao no satriko hifaliana ny ranomasonao no tiako koa harotsaka 'zay fijalianao no satriko hijaliana ny hasambaranao no satriko haposaka 'zay hira maminao no mamiko kaloina ny dian-tananao no tiako ho dian-tanako 'zay hanitrao indrindra no tiako hamboloina ny anjaranao no satriko ho anjarako izay visavisanao no satriko hovisaina ny misy ao aminao no tiako hofisiana 'zay ao an-tsainao ao toa tiako hasiana aina ny mahasondriana anao no satriko hahavariana raha tsorina dia izao ny tontolo rehetranao no tontolo mba iriko hiombonana ry tiako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-any-aminay
NY ANY AMINAY
Fredy Jaofera
NY ANY AMINAY Ny any aminay dia ambanivohitra tsy misy antsonjay fa rindran'ny vohitra. Ny any aminay dia tsy be tabataba fa mora mifandray, na iza no miarahaba. Ny any aminay dia toeran-tsy foy fa mamoha indray 'tony aingako hitohy. Ny any aminay dia lavi-pivoarana fa tsapa ho mahay miaina hasambarana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anao-mpamaky
HO ANAO MPAMAKY...!
RRAG
HO ANAO MPAMAKY...! Tsy lafatra akory, ireo poetantsika. Tsy Andriamanitra izy, fa tena toa antsika. Olombelona, mba manam-pahadisoana. Manana ainga vao, mirakitra finoana! Tsy farany avo izy, fa tsotsotra ihany. Toa anao koa, sendra ady dia tomany. Mieritreritra 'ty fiainany, dia mba malahelo. Ny fiainany eto an-tany, tsy lanitra fa helo! Ry mpamaky hajaina, ny mpanankantontsika, mila anjara toerana, eo amin'ny fiainantsika. Mila tolo-tanana, tosika avy amiko, sy avy aminao. Ho anao mpamaky, no hanaovako, izao antso izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nahoana-kosa
NAHOANA KOSA...?
RRAG
Ity tononkalo ity dia mitantara fiainana rangahy nanabe sy nampita ny zanany tamin'ny fianarany! Eny tany ampitan-dranomasina mihitsy aza! Saingy rehefa tafaverina ireto zanany telo mianadahy dia samy nanana ny fiainany avy! Narary ingahy rainy nefa tsy nisy niraharaha azy izy ireo fa samy nilaza hosahirana avokoa! Lany hatramin'ny fara-pananany nitsaboany tena! Niezaka nitady vonjy tamin'ireo zanany izy saingy mbola natositosik'ireo ihany! Ny farany dia ny sisin'arabe sy ny lalana no zary akaniny! Omentsika lohateny hoe: NAHOANA KOSA...? Fa dia nahoana kosa, no dia mafy toy izao, 'ty kapoka miavosa, izay nazeranao? Inona no ratsy, nataoko tamin'ny zanako, no dia ady mafy, no navelandreo an-tanako? Niezaka aho ry Ray, toa mba nahatafita ihany. Nefa toa tsy hay, fa sedra toy izao, no valin'izany. Tsy nisy mba niangarako, fa toa nitovy ihany. Saingy raha ny anjarako, ve dia ho tomany? Ny aiko tsy ahoako, na dia ho lasa razana. Fa ny fon'ny zanako, nahoana no zary ngazana? Zary vato mifono hoditra, nefa fery an'aiko. Ny tenako avy no mihovitra, asa, tahotra? Tsy haiko! Nahoana kosa re ry lanitra, no dia ny sombin'ny aiko. Nefa izaho efa mahantra, ka 'reny sisa no nolalaiko? Tsy mampaninona ahy akory, ny hofafana tsy eto an-tany. Fa 'reo zanako resi-tory, eo ry Ray fohazy ihany! Dia hilamina ny saiko, dia handry koa izato foko. Fa ireo sombin'ny aiko, izay tsy afaka hosoloiko, dia niverina eto an-tratrako, niverin-dalana izy Ray. Saingy mbola tsy ho fantatro, eny, mety ho mandrakizay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ankehitriny
NY ANKEHITRINY
Fredy Jaofera
NY ANKEHITRINY Rehefa ela loatra no isainana ny hoavy dia ho lasa ny ankehitriny, ny tonga hiloatra na hanelingelina avy dia izay nandreraka fahiny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mahantra-aho
MAHANTRA AHO...!
RRAG
Ity tononkalo ity dia mitantara fiainana zazavavikely 8 taona izay kamboty Ray sy Reny! Nanana ny ampy izy raha lova no ambara ary mety nahatafita azy lavitra mihitsy izany saingy sendra olona tsy azo itokisana no nametrahan'ireo Ray aman-dReniny izany! Ka na dia tapa-panjaitra iray aza tsy azony! Nenitoany kambana amin'ny Rainy ihany no nivadi-pitokisana! Hany ka nolazain'ity farany hoe lany nikarakarana ny fitsaboana azy telo mianaka sy ny nandevenana ireo Ray aman-drenin'ity zazavavy ny harem-be navelan-dRay sy Reniny! Ny teo ary hono nolazainy hoe tsy ampy fa nampiany! Handeha omentsika lohateny hoe: MAHANTRA AHO...! Nahoana re ry Neny, ry Dada tiako indrindra? Nahoana izaho irery, no miatrik'ity fiainana? Tsy haiko hoe nahoana, no dia tsy mirindra? Nipimaso dia efa foana, ka iza no hitaraina? Iza no hihaino, 'ty sombin'ny ainareo, ary mba hisaino, ny fery mandramatiny? Ràtra tsy hay fafana, inty aho mba jereo! Aiza ny hazavana? Eny tena takony! Takon'ny fitiavan-tena, resin'ny mizahozaho. Ka ilay hany natokisana, nivadi-belirano tsotra izao! Nanitsaka ny voady, nanosihosy ny rà iraisana. Nanapaka ny tady, tena nampidi-faisana! Mafy izany miady irery, ny lanitra aza tsy mahita. Marary izany tsisy mpijery, ady tena tsy ho vita. Tsy ho vitako intsony, fa tena reraka aho ry tany. Vizaka aho, maràtra, tena rera-mitomany! Ka alaivo aho raha mety! Ento any! Toa tsy hety amiko, ny hiaina eto an-tany. Mahantra aho, mahantra fitiavana. Ny harena tokoa, tsy maha-mpihavana! Aza omena tsiny aho, fa na ny lanitra aza sahy nandao. Ka iza no afaka hitarainako? Aiza aho no hitalaho? Ny Andriamanitra ao ambony, tsy mahita ahy akory. Ny lanitra aza resi-tory, ka havana iza no tsy hahafoy?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-avahana/teninao-ny-hoe-mafisa-f
Teninao ny hoe: "Mafisa f
Tsy Avahana
Teninao ny hoe: "Mafisa fo malala a! " Ka nony injay ka mafy ny foko sy ny saiko dia hita hotsikeraina ny zavatra lazaiko...! 'Zafady aloha r'ikala Nifankatia isika...f'izao mifankahala Izay hoentinao dia ento f'izaho efa nivonona Na teny tambitamby na teny tsy misorona...! Ianao no nihodinkodina tsy hita ho tena marina Ka nony injay fa very tamin'ny lainga be nahafanina Dia fotaka efa mandry an-taonantaona ela no mody tsikafonina hanamarinan-tena? Nahoana tsy notsorina vao tany am-piandohana hoe: aleo misara-dalana fa tsy zatra fahantrana Ny tontolom-piainanao? Fa tsy ny efa lasa izao...! no anaovana arofenitra sy mody tsikeraina...! (Ny eto mba nandinika ary olona nisaina ) Ka nahahalala hoe: Ny tena hevitrao tsotra raha bangoina Te hatao MADIO...dia Izaho no lotoina. amin'ny lasa tany aloha...mba hoe nifamelana Andao fa tsy maninona...fa io dia izao r'ikala a! Na iza namanao hitantaranao ny amiko...! Dia sahiko ilokana eo atrehan'Andriamanitro Fa IZAHO nitia anao matoa nanaiky diso Raha nisy fahalavoako Ka asakasakao sy ny Tody tsy hantsoiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-omaly
NY OMALY...!
RRAG
NY OMALY...! Raha samy vinaniana, ny omaly sy ny anio, ary koa ny ampitso, dia aleoko ihany, misafidy lasa, izay efa hita sedra. Fa raha ny ampitso, ny feriko omaly, mety ho hasiso, ny tia mety handao, ny lasa hitamberina, ka tsy ho kisendrasendra, ny fisarahantsika, fa vokatry ny omaly, 'lay satriko fafana. Saingy ferin'ny aina, minia mitoetra, sady toa tamana! Ny omaly, mety nisy ratsy, saingy tao ny tsara, tao ny fahazazana, tao ny fahatanorana, tao ny alahelo, ny fahasambaram-po, nitoetra tsara, zary toa tantara. Diary tsy mba maty, tsy tontan'ny ela, ka hany mihelohelo, maneho ny hatsarana, manoritra ny fototra, hitàna ny hoavy. Hafa ilay omaly, tsy vitsy mpanadino, saingy be mpitady!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sarisarim-pitia
SARISARIM-PITIA...!
RRAG
SARISARIM-PITIA...! Tena fitia iray tsara faka, no natolotro anao. Fitia tena izy, tsy mba kilalao. Saingy indrisy, nolotoinao, nosimbainao. Ka zary namery, hatramin'izao! Sarisarim-pitia, no natolotrao ahy. Ny fihetsikao, dia efa nampiahiahy. Saingy tia moa aho, dia tsy afa-niahotra. Dia nofenoinao fitaka, sy hararaotra! Sarisarim-pitia, nandrava ny vinako, no avy aminao. Fiaretana tsy efako, sady tsy ho vitako, raha mbola toy izao! Ka aleoko aho hilefitra, ny foko aleo hitony. Fa raha ny fitiavako, dia tsy ho any intsony!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/raha-sitraky-ny-tompo-na-in-shaa-allah_featuring-maher-zain
RAHA SITRAKY NY TOMPO na IN SHA’A ALLAH_featuring Maher Zain
AbouNusrayni
RAHA SITRAKY NY TOMPO na IN SHA’A ALLAH (version Malagasy) R’HEF’ IANAO, TOA TARAIKY LAVA IZAO, MAHATSIARO HO VERY ARY TENA MANIRERY ALINA DAHOLO MAIZIN-PITO NY TONTOLO RENAO HO VOAFEH’ TSY HITANAO IZAY HO ALEH’ AZA KIVIKIVY NA MANARY TOK’ IZATO IZY FA NY TOOOMPONAO TSY OVIANA HANDAO IN SHA’A ALLAH (x3) HAHITA LALANA. R’HEF’ IANAO, LATSAKA AMIN’N’ TSY FANAO MBA EFA TE HIALA FA MATAHOTRA SAO TARA VERY HEVITRA NOHO IREO VITA TSY FANDEFITRA MIBAHANA AO AN-TSAINA N’FONAO MENATRA MANGAINA AZA KIVIKIVY NA MANARY TOK’ IZATO IZY FA NY TOOOMPONAO TSY OVIANA HANDAO IN SHA’A ALLAH (x3) HAHITA LALANA. MITODIHA AM’N’ TOMPO F’IZY TSY MBA LAVITRA MATOKISA AZY ASANDRATO NY TANANA MIVAVAHA HOE O RY TOMPO TARIHO MBA TSY HO ANY AMIN’NY FAH’VEREZANA F’IANAO IRERY NO MPANORO LALANA TOROY LALANA AH’ ! TOROY LALANA AH’ ! TOROY LALANA AH’ ! IN SHA’A ALLAH (x3) IANAO HAHITA LALANA. IN SHA’A ALLAH (x3) ISIKA HAHITA LALANA. 11_7_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mba-tsy-nofy
RAHA MBA TSY NOFY...!
RRAG
RAHA MBA TSY NOFY...! Tiako mba hiverina, tsy ho toy ny nofy fotsiny, ny lasam-pahazazako, tahaka irony ankizy, zaza milalao, tsy manana ny tsininy. Saingy, toa tsiaro fotsiny izy! Irony ankiafina, sy kivarivary! Irony sangisangy, arahana fanorona! Irony kilalao, toy ny kisarisary! Akanim-pahasambarana, honenam-pahatsiarovana. Irony safosafo, orokorok'i Neny! Ny tambitambin'i Dada, arahana hantahanta! Ny ditraditra kely, natao teny ho eny! Dia hahatsapana fa, miavaka ny lasa. Raha mba tsy nofy mantsy, ny jerim-pahazazana. Ny hikahika maro, narahan-dranomaso! Ny sentosento kely, midongy hafanana! Hofihininin'i Neny, dia fafany ranomaso!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-harinjaka/hatrany-aho-mbola-tia-mat
Hatrany matokia
Ando Harinjaka
Hatrany aho mbola tia Matoa tsy sahy nandao Hatrany aho mbola babo Matoa tsy sahy nanary Sy nampirafy anao Koa hatrany matokia Ary aza saropiaro Nefa hatrany koa fantaro Fa ny elanelan-tany Misy eo amintsika Misy te hanararaotra Andrombahana ny foko Efa tsara kolokolo Sy voakarakaranao. Ary hatrany mahareta Fa ny fiainana katsahiko Iriako ho ahy sy ho anao Mbola lavitra andehanana Sy maro fahavalo. Nefa hatrany mahandrasa Hatrany matokia Fa hatrany ianao no tiako Hatrany ianao no mamiko Hatrany ianao no laniko Hatrany ianao no andrianiko Hiara-dalana amiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fientanam-po
FIENTANAM-PO
Fredy Jaofera
FIENTANAM-PO Fientanam-po manimba ny mivoy ny hatezerana, na nahazo foana zimba ka aoka ange ho ferana. Fientanam-po mandavo ny mampiasa fialonana, tsy ahafahanao miravo rehefa tsy tia fifonana. Fientanam-po mandoro ny mamoaka fanesoana tena mahay manorotoro rehefa tojo fandotoana. Fientanam-po maharesy ny milaza fahambaniana raha mbola atao misesy sy hita ho fanahy iniana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-raozy-toa-anao
RAHA RAOZY TOA ANAO...!
RRAG
RAHA RAOZY TOA ANAO...! Maro ireo voary, miavaka sy tokana, fa ny foko kosa, mitepo anao manokana. Mihanoka fitia, hafa koa raha hafa! Hafa ianao raha raozy, ny tsilonao aza, toa tsy mandràtra. Izato fela-manitra, mieza-mandroboka. Ny voninao tavela, hita midoroboka. Mitàna ny hatsarana, miavaka sy tokana. Ny foko raha mitepo, dia ho anao manokana! Satria ianao ry raozy, mahay maneho fitia. Manome ny tsara, tsy hahasampon-dia. Manolotra hatrany singa, miendrik'aina mifamatotra. Ny fitia avy aminao, tsy sangy fa efa matotra! Ka raha raozy toa anao, adala izay tsy tia. Vao mahita mihitsy angamba, dia raiki-pitia. Fa ny ao am-po mitoetra, fahatsorana ohatr'izany. Sambatra ry raozy, izay sendra anao, anjaranao an-tany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tojo-ilay-nirina
TOJO ILAY NIRINA...!
RRAG
TOJO ILAY NIRINA...! Tiako ianao hantsoina, malala tiako indrindra, tokana ao am-poko, safidy zary anjara. Hovaiko raha sitrakao, ilay hoe: “I Rindra”, anaranao, nahabotrabotra, sady nahatara. Nanaitra ny foko, hibaboka fa tia, ny anaranao, ampiako hoe: “Fitia”! Sa tsy tiandrỳ? Omeko anao ny anarana, lisin'ny fitiavako, satria ianao no vony, miendri-boninkazo. Ny hanitrao, manome ny tsiky, mitaratra ny tavako, asa, azo mety ovàna, hamoronako ny vazo. Izay vazovazom-po, hifaliantsika, anatin'ity hatsiaka, 'zay tena mamanala! Ny anaranao raha mety, ataovy “Soanirina”, nirina satria tiana, soa fa kanto koa. Mety azo avadika, hoe: “I kala Manjatiana”, ilay mamatotr'aina, zary famato-po! Nefa toa tsy ratsy, raha toa Malalatiana, sady fỳ tsy foy, no tojo koa ny vina. Ka aleo ianao antsoiko: “Tojonirina”! Satria tokoa angamba, ianao no tojo ahy, tokana amin'ny aiko, fa silaka fanahy. Silaky ny tena, tia ka notiavina, nitia am-pahendrena, ka tsy mba nolavina. Ka tojo ilay tiana, fato-matin'ny aina, izay anaranao, malala? Nirina? Tsy hiasana saina, fa amiko, ianao ilay maraina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mora-maratra
MORA MARATRA
Fredy Jaofera
MORA MARATRA Mora maratra ny tsara fanahy hita mamahatra tsy misy ahiahy. Mora maratra ny olo-mahitsy rehefa tsy zatra ny hafa mihitsy. Mora maratra ny olona tsotra rehefa tsy tratra ny tiana hizota. Mora maratra ny marina lava rehefa mihatra ny tsy mazava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ao-am-po
AO AM-PO
Fredy Jaofera
AO AM-PO Ao am-po, ny fitiavana mitory fahasambarana, tsy tia manavangavana sy tsy misy fitsaharana. Ao am-po, ny finoana katsahin'ny olombelona tsy mivoy ny fisentoana mitady hiselontselona. Ao am-po, ny fiadanana imatimatesan'ny mijaly fohazina hananganana ny tsara noho ny omaly. Ao am-po, ny fitoniana nofisina hahombiazana mampilamina mangina, na teo ny fahavoazana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravoson/ilay-raozy-malazo
Ilay raozy malazo
RAVOSON
Notsofinao ilay anjomara, hanaitra ny fiarahamonina Narehitrao ilay fanala, hanazava ny manodidina Natsanganao ilay faneva, hampiravona ilay efa hadiva Nampandrosoinao ilay mpandalo, ny andro efa hariva. Novoizinao anefa ity lakan-jejo ka nilaozanao Nisentosento tamin-dranomaso fa tsy ho afaka ny hilalao Nilaozanao ilay akany, namonjy fonenam-bao Ity havanao mitomany, toa tsy tsaroanao. Nahoana tokoa re ry Tiako, no nivadi-belirano? Sa efa tonta ny aty ka tsy ahavita ilomano? Fitiavana madio tokoa, lavitrin'ny angano No nampanantenainao ahy teo anatrehan'ny maro Narehitrai ilay Fitia, indrisy enao nandalo Tsy mba namana hitoetra, fa lasa fahavalo Nandrendrika ity foko, torotoro sy lao Maniry ny ho faty, satria nilaozanao. Mafy amiko anefa ny handao izao dia izao Ity tany fandalovana, tsy hialan'ny rahoraho Ity Raozy malazo no sisa mba sitrakao Ho vavolom-belon'ny fitiavako anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tadidinao-lay-teto-o
TADIDINAO 'LAY TETO O?
RRAG
TADIDINAO 'LAY TETO O? Faka iray an-tsaiko, mamatotra ny foko, mamerina ny tsiaro, izato seza banga, afovoan-jaridaina, toy ny vao niloko. Tena tsaroako, fa teo aho no jamba! Jamba ilay fitiavana, jamban’ny hatsarana, tia ka te hamihina, 'ty raozy tsy mba ahy, hany ka voageja, an-tontolo ngazana. Saingy akaiky ianao, dia nisinda ny ahiahy! Tsaroanao ve, 'lay maso tsy nitsahatra, nijery sy nibanjina, ny sori-tavanao, nivavabava-mafy, ho atosik'ity lahatra, ho anjaran'ity foko, ho anjarako ianao? Tadidinao ve, 'lay sangy zary tena, niendri-bazivazy, naloakan'ity vavako? Dia nitsiky ianao, toa vony tsara felana, natosiky ny vintana, hipetraka amin'ny sezako! 'Lay zary sezantsika, sezam-pahatsiarovako, zary manirery, miandry antsika hiverina. Dia niandry aho, saingy ianao tsy hitako, mbola hiandry aho, tsy ataoko mampanenina. Tadidinao 'lay teto o? Ianao rako-tsiky, toy ity masoandro, mitara-mibaliaka! Saingy tamin'iny, nanerika nanify, kanefa tsy niala, tsy niala teo isika!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tohizana-any-ankoatra
TOHIZANA ANY ANKOATRA...!
RRAG
TOHIZANA ANY ANKOATRA...! Nosakanana isika, norarana ny tsy hiaraka. Eny, nifankatia tokoa isika, efa hatrany am-pianarana. Tsy nisy azontsika atao, fa setrasetra no nasetry. Dia ny fitiavako anao, no nolazaina hoe tsy nety! Asa, ny fari-piainan-tsy nitovy, sa saranga tsotra izao? No namerana ny antsika, ka nanerena anao handao! Nefa mafy ny faka, nifamatorantsika roa. Dia avy hatrany notapahina, nohitsahiny hatramin'ny zo! Tiako ianao, ianao tia ahy, fato-maty raha ny antsika. Nalavirina ahy ianao, dia nanaovam-pikafika. Nolazainy fa efa niova, nitia olon-kafa aho. Soa aloha e! Fa tsy nino izany ianao! Dia nosambori-nogadraina, fa nanadalanao hono aho. Nitomany nitaraina, saingy nihafiako, fa noho ianao. Ka tsy nisy hevi-petsy, nahavita nampisaraka. Fa vao mainka azy ireny, no fatora-nampiaraka! Novonoina ny anarako, nolotoiny koa ny hasiko. Naratsiana ny tantarako, dia nofongarina ireo ratsiko. Izay efa fantatrao, tsy nampaninona anao! Saingy ninian'ireo natao, hahatonga ahy mba hitalaho! Tsy noraharahaiko ireny, na nororainy aza aho. Fa nanamafy ny herim-poko, ny fitiavako anao! Dia nitadiavana hevitra hafa, ka nalefa sesitany. Gaga aho io andro io, fa ianao dia tonga hatrany! Mafy marina ny tia, indrindra moa raha sendra izany. Toa fahazaran'izy ity, ny isan'andronao tomany. Ny ranomasonao toa orana, mipatrapatraka ohatr'izany. Ka ny mosoaranao 'zay kotsa, dia efa ho maromaro ihany! Kinanjo izao aty aoriana, lavon-dahatra ianao. Nosaziana aho nofonjaina, fa hono hoe namono anao! Hozakaiko anefa izany, na dia miendrika hararaotra. Ny fitia nalevin'ny tany, hotohizana any ankoatra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-sary
'LAY SARY...!
RRAG
'LAY SARY...! Te hanontany aho, saingy miahotra, ny valin-teninao, no mety mampatahotra. Nefa, inona no hadisoako, raha hanontany anao? Asa a! Mety hoe matahotra, ny hilaozanao? Saingy tsy hitony, ny foko raha tsy hahalala, ny voka-tsavasavan'ity masoko adala. Ny saiko te hamantatra, fa izy moa no iza? Endrika vaovao, toa sary simbasimba! Endrika tsy vina, tsy lavitra ny saiko, ny hahalala azy anefa, dia mety handràtra ny aiko! Fa fantapantatro ihany, ny mety ho anarany, tsy lavitra izany, koa ‘zao ny tantarany. Ianao efa nilaza, fa efa voafafa ireny, ka 'lay sary hitako iny, tsy nasiako teny, sao mantsy indray hamoha, ny lasanao fahiny. Hialako tsiny, fa raha iny sary iny, dia efa nodorako iny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kibo-manina
KIBO MANINA
Fredy Jaofera
KIBO MANINA Kibo manina, tsy mba noana, na feno hanina ny manoloana. Kibo manina, lasam-borona vao tazanina eny amorona. Kibo manina, misento irery vao seranina, voan'ny sery. Kibo manina, ory hafahafa ka valalanina rehefa mitafa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/niandry-izy...-dia-veloma-ianao
NIANDRY IZY... DIA VELOMA IANAO...!
RRAG
NIANDRY IZY... DIA VELOMA IANAO...! Fo ny azy fa tsy vato, mety ho sendra fahasorenana. Niaritra izy fa tsy tanty, ianao mihevitra azy hoe: “Vendrana!” Saingy izy tena tia, dia nandefi-tsy niteny, fa leo ihany ny niafarany, ianao aza tsy nijery. Dia niandry izy fiovàna, ianao nefa ity niziriziry. Tiany ianao, saingy angamba, ny fony feno hirifiry, ka naleony niala, raha izay no mety hahasambatra anao. Tara loatra angamba e! Fa izy efa lasana nandao! Dia veloma ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/marain-dririnina
MARAIN-DRIRININA...!
RRAG
MARAIN-DRIRININA...! Ilay ianao somary tara, vao nahita tory iny, noho ny alin'ny hatsiaka, mitovy valaka amin'ny lasa. Nahatsiaro nangatsiaka, tahaka ny alina fahiny, asa ve hoe: “Tsy tsaroana tokoa, ny ririnin-dasa?” Ny maraina toa mikiry, miboko mafy ireto lamba, mivonkimbonkinkely ery, noho ny hatsiaka mamanala. Rahoviana ihany anefa, rahoviana vao hisava, ity hirifirin'ny andro, toa hila hahalasa adala? Miahy ampiana azy ireo, bodofotsy maromaro, ny lamba tsotra, matevina, manify, no hany hafangaroharo. Satry ery ny tsy hifoha, tsy hiala eny am-pandriana. Satry ho alina eny foana, izay ny andro toa tiatiana! Dia 'lay marain-dririnina, toa mitarika hakamoana, mitondra eritreritra hafa, satry ho toy izao foana. Afaka manararaotra, ny mikafirifiry kely, na taratara aza no mifoha, dia toa tsy misy teniteny! Fa ny marain-dririnina, toa tontolo ilàna namana, ilàna nama-mpanafana, na dia ny hatsiakan'ireto tanana. Izay mamanala ery, satry anaty lamba hatrany, nefa hirifiry loatra, ka rahoviana, rahoviana no tsy hisy izany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/patsa-iray-tsy-homby-vava
PATSA IRAY TSY HOMBY VAVA...!
RRAG
PATSA IRAY TSY HOMBY VAVA...! Neniko indray ny nilaza fa tia, ianao aza ity tsy mahafantatra ahy. Lalina anefa ny ivom-pitia, ka natokana ho an'ny manam-panahy! Zary vesatra manko, ny mahita anao, manaitra ny anatiko nefa tsy ahy. Tsy mihaino ny foko, minia mitalaho, sa izay 'lay mitia, dia hoe: "Ahy ny ahy!" Ianao amin'izany, miondana ihany, fa saingy tsy an-tratrako, fa eny an-kafa. Tsy rariny ve, ny foko hitomany, raha rava sahady, ny vita kinasa? Tamin'ireny ianao, nilaza fa tia, nandalo ihany, mba tsy handràtrana ahy? Nefa raha hoe: “Nolavinao izy iny, dia ho sanatria, ny foko sy izaho, no very fanahy!” Fa mora kokoa, ny namafa ireny, satria vao nafafy, tsy fanta-pitsiry. Nahoana ianao, no tsy mba niteny, sa matahotra hoe: “Homeko tsiny?” Sanatriaviko izany ry tiana, tiako ianao, ka tsy horàtraiko. Naninona anefa, no tsy izaho no nofidiana? Izao izy izao, miantraika amin'ny aiko! Sendra nitia aho, nolavina sahady, izay ve no tinendry, vintan'ny foko? Sa izaho mihitsy, no resy an'ady, ka potika hatramin'ny faran-joko? Patsa iray tsy homby vava iny, ka tena tsy teliko, nandràtra ny atiko, iray manontolo. Ny nitia anao, ekeko fa neniko, fa izany aloha tsy andaozako izato tontolo! Nangidy fotsiny, fa zakaiko ny ahy, tiavo tsara izy, raha izy no tiana. Mitso-drano anao aho, fa aza manahy, fa ny finamanantsika, aza ariana! Patsa iray tsy homby vava, saingy safidiko, maràtra aloha aho, fa mbola hitony. Ny ampitso tsy haiko, raha mbola ho tadidiko, tsarovy amin'izany, f'izaho tsy any intsony!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indrisy-ry
INDRISY RY...!
RRAG
INDRISY RY...! Mba miangatra lahy, ry masoandro maraina, ny any tarafany, ny aty tsy ahoany. Nefa ny aty, maro fo mitaraina, nilaozan'ny tiany, ka tsy mety tony! Miavona ery, ry lanitra manga, mangarika mihitsy, ka rakofan-javona. Ka ilay fanantenana, efa nanangasanga, nierina kely, dia indro nanjavona. Manavaka angamba, ny rivo-madio, fa ny eny aminay, efa ho ady lava. Tsy ambakan'izany, ireto tadio, rivotra mafy, tsy mety misava! Indrisy ry fiainana, toa miangatra ianao, manava-tsaranga, manilika anay. Nahoana ny fo, no tsy hitalaho, raha izy efa tia, no nodonoro ho may? Indrisy ry vintana, ho an'ny mahery. Fiainana tsy mahataitra, feno teritery, tsy natao ho anay, fa mainka aza fingana. Vao hanomboka hiady, dia misy mamingana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tafanambady-daholo
TAFANAMBADY DAHOLO…
AbouNusrayni
TAFANAMBADY DAHOLO… 1.Raha sarihiko ny tanako - hamela dia-penina, Ho an’ny mpiara-monina - sy ‘nareo havako Tsy noho ‘nareo irery - f’ izah’ mety hanenina, Rah’ tsy mah’vit’ adidy - k’efaiko ny anjarako. 2.Te hivoatra ianareo - ary dia mimpenimpenina, Manaonao foana - raha n’ maro efa tazako. ‘Nareo moa “izany m’hitsy” - ka na tsy azo tenenina, Tsy hikipy akory aho - na hanarona ny tavako. 3.Drindrangilo ny anatra - r’hefa averimberina, Ka mba kalokaloiko - ny ahy ny filazako. Tsy ny hadalanareo - ‘nge n’ tiana taterina, Fa mba mety hahasoa - ‘reto teny fafazako. 4.Ny baombao mamy foana - na adera na afenina, Fa ts’hisy tia tsy mifono - rah’ireo olom-pantako. Ny fanatontoloana - aza atao maha-domelina, Manajà ten’ ihany - bavy kely malalako. 5.Mba atoro ange nareo - fa tsy hoe ho fehezina, ‘Ze mandeh mafy ihany - no ho potraka sy voa. Henoy ihany ho ah’ - f’aza de be marenina, Tsy aleo ve maontimaotina - de mba mioty ny soa. 6.Izay tsy nety efa vita - dia azo leferina; Na tsy ho lafatra aza - fa ts’ hikitoatoa. Ny ho avinareo - no aleo mba atrehina, Izay indrindra izao - no mampiasa ny loha. 7.Fanavaozam-pamindra - no andao re heverina, Dieny mbola tsy voadona - na voaratra ny fo. Tena zava-dehibe - matoa antitranterina, R’hefa taf’ianareo, - ‘z’hay faly ihany koa. 8.Ka ny tiana hambara - ary koa ketrehina, Ny fitafy manaitaitra - ajanony any moa. Ny fijefifefena - mba ten’ ho taperina, Efa voa-janahary, - ‘nareo manja avokoa. Raha ny faniriako - ary tiako ho ventesina Ho an’ny mpiara-monina - sy ‘nareo havako Tafanambady daholo, - izay no tiak’ ho renesina Fa mba nitandrin-tena - ka samy nioty ny soa. Am-pitiavana be 10&11_11_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-fotsiny-ianao
TIAKO FOTSINY IANAO...!
RRAG
TIAKO FOTSINY IANAO...! Tiako fotsiny ianao, tsy asiako fepetra, fitiavana madio, alavirin-kerisetra, fitia tena matotra, sanatria ny hivadibadika. Ny antsika roa fo mifamatotra, ka 'zay tia maharitra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-meloka-izy-moa-meloka-aho
RAHA MELOKA IZY, MOA MELOKA AHO?
RRAG
RAHA MELOKA IZY, MOA MELOKA AHO? Toa tsapako mikiky, maningotra ny aiko, 'reo adin-tsaina mitampify, mamatotra ny saiko, raha vao voadona ianao, 'lay aina avy amin'ny ahiko! Ka any toa tsy tony, mivezivezy ity fanahiko! Naditra ianao ry aiko, fa dia tsy nahoako, ny lasanao rehetra, dia efa samy novonoiko. Izay ràtranao tanaty, reko fa narary ahy. Fon-dRay ny ahy ka akory, ny hoe tsy hiahiahy? Ry sombin'ny aiko, ianao ankehitriny lavom-piainana, nisolifatra tsy fidiny, helohin'ny fisainan’ ny mpiara-monina aminao, fa diso kely sendra lavo! Moa ve tsy meloka aho, ilay fototra nandavo?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fanahy-no-maha-olona
NY FANAHY NO MAHAOLONA…
RRAG
NY FANAHY NO MAHAOLONA… Ny fo tsy te hangina, fa te hitroatra hiady, mba ho fanafahana, ny zoga entin-tena. Voafonja ny fanahy, voafatopato-tady, fa toa manjaka irery, ny fitiavan-tena. Mitroatra ny fanahy, mitady fahafahana, toa ny ahiahy, no ‘ndray misakan-dalana. Dia ny tena ihany, no mihazona ny laka, ny izaho no hany re, re manjakazaka! Ny fanahy no mahaolona, fa saingy resin-tena, milavo anaty ady, miondri-paharesena. Ny fanahy no mahaolona, kanefa toa voafetra, ny fahefana an-tanany, terena hanam-petra. Mitaky fahafahana, mitaky fahaleovan-tena, ny fanahy ‘lay mahaolona, voafatotry ny izaho. Ny izaho miziriziry, fa tompom-pandresena, resy ny fanahy, raha nanoloana anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-tanananay
ILAY TANANANAY...!
RRAG
ILAY TANANANAY...! Maro ireo tanàna, no kanto manan-tantara, miavaka amin'ny maro, miendri-paradisa. Fa ny any aminay, no mbola tena tsara, tanàna nahabe, ilavi-disadisa! Tsy vitsy izy ireny, no rako-javaboary, tokana an-tany, tsy manam-paharoa. Fa ny tanànanay, dia tolo-Janahary, ka eo no hiafarana, raha teo no niandoha! Tsy iza akory izany, f'ilay akanim-pahazazana, tanànam-pahatsiarovana, nahitana soa. Teny ho eny izahay, no tena tamana, nifampizara mamy, sy mangidy koa! Tsy misy akany volamena, mihoatra azy iny, tokana izy raha ny harena, fitaizana azonay. Any ianao r'ilay tanàna, tanànanay tsy manan-tsiny, akaninay ianao, eny akaninay! Akaninay mandrakizay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/karazam-boninkazo
KARAZAM-BONINKAZO.
RRAG
KARAZAM-BONINKAZO. Ny “Iris” voninkazo tsara vony, toy ny fo mitony, mandravaka tontolo, rehefa tsara kolo. Ny “Cœur de Marie”, no voninkazon’ny fitia, manambatra olon-droa, famatotry ny fo. Ny “Oxalis” no voninkazo soa, tsy manam-paharoa, tsy miavaka amin’ny raozy, fa izy tsara paozy. Ny “Jasmin” no fanantenana, voninkazom-po, tsy mety mba tamàna, tsy ela fitoetra, an’alan’ny fitiavana, fa vony manam-petra, toy ireo firavaka. Ny “Bégonia”, iray alina karazany, voninkazo miavaka, sy tokam-pombafomba, avy amin’ny felany, ny azy ny fitiavany, toy ny “Camélia”, raha atao ny tombantombana. Ny amaranana azy, dia ny “Paquerette”, tsy dia hafa loatra, amin’ny “Violette”, samy voninkazo, fambara ny fitiavana, toy ny lisy fotsy, famato-pihavanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-hiteny-moa
RAHA HITENY MOA...!
RRAG
RAHA HITENY MOA...! Somary hafahafa ihany, toetra avy aiza no nitsiry? Ity tsy mena-miboridana, eny imason'anadahy! Maso sendra lasa ny azy, fa tsy izy no naniry, ny hitazana ny henatra aza, dia mampivonto ny fanahy! Takon-kenatra hono ireny, toa deraina ery 'ty izy, ka hatreny an-davarangana, miboridana ohatr'izany. Sao lahy! Efa mihoatra ny tokony ho izy, mba mihevera ihany, fa mana-maso koa ny tany! Fitafiana mahametra, toy ny lamba no tsy misy. Fitafy efa toa mivelatra, sady manify dia manify. Ny mpanjaitra angamba vendrana, sa mangala-damba kosa? Sa raha tsy izany dia tsy enjana, sady koa tsy midi-trosa? Dia ny mason'ny mpitazana, no lazaina adaladala, izy hijery aza menatra, indraindray misalasala. Mijinery anao anaty, izato akanjo hafahafa, sa hoe: “Zipo fohy indray izao, fa efa hadino ny salaka?” Fitafy tsy mitovy ireo, ekeko izany ka tsy holaviko, fa samy koa mampiseho, tena maty aho! 'Ty vavahadiko! Sa hoe lanitra no tiana, tianao iantsoako azy? Tsy raharahaiko izany e! Fa amiko iny dia vavahady! Lala-miditra any ho any, ilay takonanao fatratra, nefa ny fihetsikao, no mampita izato hafatra. "Inty aho e! Anao!" Mihika mafy ery ianao, tratra atambo izay vao hoe! 'Ty lozako e! Lozanao! Dia ny tsiny no hatoraka, ilay maso adaladala, kanefa ny fihetsikao mihitsy, no niantso "avia malala"! Nohitsahinao ny fahafahana, notsiniavinao ny zo, ny fiainanao toa zary endri-baravarana, nahoana moa? Satria ianao tsy nisafidy, ny ho hatositosika eny, sady tsy hanan-jo hamaly, na ihany koa zo hiteny! Fa safidinao izao, ka zakaina na dia mafy, ho ràtram-po no vokatr'io, fery ho tahiry anaty, hozakaina fa finidy, mety ho mandramaty. Dia ahoana hoy ianao, raha hiteny moa ny maty?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/avelao-re-ry-tompo
AVELAO RE RY TOMPO!
RRAG
AVELAO RE RY TOMPO! Vesaran'alahelo, ny fonay zandrinao. Hany resin-tsento, mivava-mitalaho! Mifona re fa diso, tsy mendri-pamelana. Avelao re ry Tompo, ireo hadalana! Hiezaka aho ny hiova, ho mendrika anao. Hanova ny famindra, ditra hatramin'izao! Raiso ny fifonako, fa efa nanenenako. Ny lasa ratsy vitako, tena tsy hiverenako!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-inonao-ny-lasany
HO INONAO NY LASANY?
RRAG
HO INONAO NY LASANY? Ho inonao ny lasany, raha toa niova izy? Lasa toy ny lasa, ka tsara ve ny ho averina? Ho inonao 'zay vitany f'izao, mahatsapa-tena izy? Ka nanoritra ny kasany, ho tolom-panenenana! Lavo moa tsy ho lavo, ka nahoana no hiniana? Hiniana mbola hazera, hihosina maloto. Natao kisarisary, endrim-panahiniana, nefa nandatsana azy, hanakivian-joto! Dia kisarisary, ve ny fahafahany, nefa toa mba teo, ny zotom-pony ho afaka? Ka moa ho mendrika azy, ny hihombon'ny ràtrany, hahatonga azy ho osa, ka hiverina ho solafaka? Sanatriavo kosa e! Fa efa vitan’ny sedrany, ny onitrin'ny lasa, 'zay lasam-pangejana. Omeo azy, 'zay tena anjara toerany, fa raha ny vitany, toa endri-pahagagana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ianao
ANY IANAO...!
RRAG
Atolotra ho an'ireo efa kamboty rehetra na io Ray, na io Reny, na io kamboty velon-dRay na io velon-dReny! Teo aloha dia tsy nisy lohateny ity tononkalo ity, ka indro ary izy hampitondraiko ny lohateny hoe: ANY IANAO...! Fo nahoana moa, no tsy mba haràtra, raha misy akaiky azy, lavo na nandao? Ninoninona ady mafy, na sedra hoe nahazatra, fo akory izany, fo tsy hitalaho? Indrindra indrindra moa, ka lavo ny faka, iray amin'ny sompitr'aina, namelo-nanabe. Na koa lasana nitsoaka, nanao fiavin-tsaka, rehefa sendra ady, toy ny filma an-“télé”! Mafy izany miady irery, mitomany tsy miato, mahatsiaro ny fahiny, manirery an-tanàna, manimanina ny angola, mahatsiaro safosafo. Nefa ny fototra efa lasa, voalahatra sa tsy tamana? Any anefa ianao, raha mba mahare ihany, na koa hoe mahatsapa, fa amim-po milefon-dràtra, 'ty antsoantson-janakao, anaty sento sy tomany! Dia aza avela ho antso an'efitra, fa efa tsy ho vatra. Ka tsy hisy hihaino akory, ninoninona atao. Ho kamboty Ray sy Reny, hitomany amorom-patana. Nefa ianao ilay nandao, eny, any ianao! Mety kivy tamin'ny lasana, mety koa lavom-pasana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hiezaka-ny-hiova-aho
HIEZAKA NY HIOVA AHO…
RRAG
HIEZAKA NY HIOVA AHO… Tompo ô! Ekeko hoe mpanota, tia misotasota, ny anaranao, ity zandrinao. Ekeko fa mpandavo, ny rindrin-tsara joro, izay najoronao, ho fitahian’ny avo, ireto fo ‘zay toro, mibebaka aminao. Ekeko re ry Tompo, fa meloka ny foko, ninia nanalavitra, ny dina izay natao, teo anatrehan’ny lanitra, teo anoloanao. Tompo ô! Hiezaka ny hiova aho, mba ho fanilonao, mpanarina ‘reo potraka, mila tohatohana, mpiahy ny trotraka, resim-pandrosoana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/namako
NAMAKO...!
RRAG
NAMAKO...! Mba maro ny namako, fa hafa ianao, ilay namako hatramin'izay, ka hatramin'izao. Namana, namako fony fahazazana, eny! Hatramin'izao fahatanorana! Ianao no namafa, 'rony ranomasoko, niara-nizaka, irony ankasoko, niara-nifaly, nisedra ny lasana, ary hinoako, fa ho hatrany am-pasana! Tsy namadika ahy, tsy nandao ahy mihitsy, mahitsy fiteny, tsy mba mitsitsy. Tsy namana, raha hoe misy patsa, fa niara-nisedra, ny fery sy ràtra! Namana ianao, tsy mba mavomavo, niara-nisondrotra, ary koa niara-lavo, niara-voafonjan-dRafahantrana. Mpiara-mianatra isika, dia mpiray tanàna! Namako ianao, tsy laviko izany, hogahogaiko, maneran'ny tany! Namako ianao, namako hatrany, na anatin'ny tsiky, eny sendra tomany! Namako ianao, voadiko izany, tenin'ny fo, ka hotanako hatrany. Dia isika ho mpinamana, mandrakizay, ny aty aminao, ka ny any aminay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izay
IZAY…
RRAG
IZAY… Tiako ianao, fa tsy mba nierika, nefa aho, na dify aza ianao, dia satriko ny hierika, hitazana anao, ‘lay mijery ahy! Tiako ianao, ka babonao tanteraka, ny atin’ny fanahy. Izay angamba ilay, safidy tsy tanteraka, na ihany koa anjara, anjara tsy ho teraka. Lahatra tsy hisy, tendritendrim-bintana, toy ny alina mangina, tsy ahitàna kintana. Izay angamba, ‘lay tia fa toa tsy tiana, mizaka samirery, ny zogam-pijaliana. Ny andro saron’ny haizina, ny alina feno fitaka. Ny fo ‘lay tia indray, no re mangitakitaka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/antsojay
ANTSOJAY…
RRAG
ANTSOJAY… Nidodo mafy teo an-dohako, ny fikotroky ny varatra, zavo-mainty iray matevina, no manarona ny taratra. Tafio-drivotra mifofo, no manozingozina ahy, dia mbola ho toa io ny ampitso, higafiana ahy tsy sahy! Mafy fitoto toy ny varatra, ny latsalatsan’olon-tiana, tsisy andro mba mitomaratra, azom-po mba hifaliana, fa antsojay hila isan’andro, no mianjady amin’ny tena. Efa tsy eo ilay masoandro, ka tsy hisy intsony fandresena! Mifofofofo toy ny rivotra, ny tadion’ny faniriana, ka nanataka nandrovitra, ilay boatim-pijaliana, hiparitaka handràtra, ny atin-tenako rehetra. Tsy raharahaiko intsony koa, izay fiavin’ny setra, f’efa resiny tanteraka, efa rotidrotiny aho. Tsy maintsy hizaka izay vesatra, ka hikobona talaho! Ka na ho anio, na ho ampitso, eny na ho mandrakizay. Na ràtram-po, na ferinaina, vokatry ny antsojay, dia hanam-petra toy ny hafa, efa niladilady teo. Na ela io, na koa ho faingana, hinoako foana fa ho leo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/le-ciel-bleu
“LE CIEL BLEU”…
RRAG
“LE CIEL BLEU”… “Le ciel bleu! Es-tu là mon ciel bleu? Ta lumière vient-elle de Dieu? Es-tu l’image de tous les cieux?” Ny ao am-poko misy ilay “feu”, avy amin’ny hatsaran’ny “ciel bleu”. Ny raozy aza toa mba hoe “amoureux”, voasinton’ny fon’ilay “ciel bleu”. “Le ciel bleu! Où es-tu mon ciel bleu? Parce qu’elle a un cœur malheureux, quand elle l’a fait son adieu!” Ao anatiny ao, misy fo “blessé”, satria efa ela no maty ilay “feu”, ka ny ràtra am-pony, fatoran’ny sainy. Ny “ciel bleu”, nanalavitra ny ainy! “Le ciel bleu!” No lanitra manga fanilo ny fony. “Un cœur joyeux”, mba iriny koa, tsy ho nofiny intsony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-andriamanitry-ny-foko
NY ANDRIAMANITRY NY FOKO!
RRAG
NY ANDRIAMANITRY NY FOKO! Ny Andriamanitry ny foko, dia ianao ilay fitiavako. Tokiko sy finoako, sady ihany koa firavako. Tsy mba nandao, fa nijery ahy foana. Tsy nety lao, tsy namela ahy hisaona! Tsy nanoritra ny lahatra, fa namela fo hisafidy. Tsy nanosika ahy tan-tatatra, raha nisy hadino ny adidy. Fa vao mainka indray aza, nonohana ahy hamita ireny. Ka ny hanokafanao ny vava, dia angolangolan-teny! Tsy nanakana ny tendry, saingy namela ahy halalaka. Hitia izay safidim-poko, hataoko akanin’ny fitiavana. Tsy nilaza ahy ho hendry, nefa koa tsy nahasaraka. Izy irery no Andriamanitro, tsy nanakana ny lalana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/66-taona-izay
66 TAONA IZAY…
RRAG
Tsiaro ny faha 66 taonan’ny fitsingerenam-pahatsiarovana ny 29 Martsa 1947 – 29 Martsa 2013 66 TAONA IZAY… Tifi-danitry ny tafondro, tora-defon’ny Gasy, haitraitran’ny vazaha, no nahamaro olo-maty. Fisamboram-behivavy, famonoana ny bitika. Raha ny ady no hitohy, dia hampalahelo ny madinika! Feom-basy tsy ankijanona, hikahika mankarenina, zera-baomba amin’ny alina, eny hatrany Vavatenina. May daholo ny aty ala, hamandrihana mpitolona, nolaniany ny bala, handripahana ny olona! Ranomasom-behivavy, fokofokon-jazakely, ‘njay re! Manarona ny alina, sy ny tanàna manontolo. Asa anefa, raha mba nisy nahare ireny, ny feom-basy mantsy, naharakotra tontolo. Antso vonjy, holan-jaza, trano may, fanerena vehivavy, fanerena azy hiray. Tsy namelàna azy higika, no nanampenam-bava azy. Tsy namelàna azy hibitaka, no namatorana azy tady! Ny tao Beparasy, ny tany Beforona, ny teny Andasibe. Re fa maro olona, tsy kely tsy lehibe, nanao sorona ny ainy, ho an’ny fanafahana. Saingy maro koa ny lavo, tsy tonga hatsasa-dalana! Fa ringan’ny balan’ny tsy mataho-tody, vazaha tsy manam-po, ripaky ny tafondro, tsy voatohitr’odin’ireo mahery fo. Ny mpitolon’i Moramanga moa nasesiny, tanaty ireo “Wagon”, naripany daholo, irony olomanga, tsy nisy “Sommation”!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ianao-ry-moramangako
ANY IANAO RY MORAMANGAKO...!
RRAG
ANY IANAO RY MORAMANGAKO...! Sanatria tsy hoe hadino, ka tsy tsaroako ianao ry taniko. N'aiza n'aiza misy ahy, dia mbola ianao no akaniko? Ilavitra ahy ianao anio, sanatriavo ny tsy hihaona. Fa ho any aho, raha sendra manana fotoana! Ry Moramangam-pahazazako, any ianao, izaho aty. Na izany kosa aza, dia mbola ao ilay fitia! Nifamatorantsika hatrany, izay tsy mbola maty am-poko. Ianao ry ilay akany, toy ny namana tsy foiko! Ka aleo raha sitrakao, hivetsovetso aho na hoe: “Hievinevina aza ianao, k'ireo tsy tia ho vaky hehy”. Fa tsarovy ry taniko, ry Moramangako tsy foiko. Misy tsara any ho any, fa raha ianao dia tsy hosoloiko! Avelao aho mba handry, hanofinofy anao ry taniko. Aleo hivoaka ny alaheloko, aleo hijojo ny tomaniko. Ho anao ihany izany, ry Moramanga tiako indrindra. Ny fitiavako anao mantsy, tena sarotra ny hafindra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/noterena-ianao
NOTERENA IANAO.
RRAG
NOTERENA IANAO. Ekeny hoe: “Noterena ianao iny, saingy nanadino azy tanteraka, tsy nahalala ny fisiany, namela azy hilanja vesatra”. Ekeny hoe: “Niavona izy, raha nandà ilay fitiavana! Meloka izy, niziriziry tam-pandàvana, ny fangatahanao fahiny, ny mba hifamatotra aminy! Ankehitriny izy mpivahiny, fa tsy mba manana ny akaniny”. Satria voatery ianao, voatery ianao nifindra lasy, nitady fo iray vaovao, mba hamafa irony tasy. Navelan’ny fandàvany, ny tolo-po avy aminao. Lasa ferin’ny fitiavany, tsy mety maty am-ponao ao. Ekeny hoe: “Diso izy, saingy tsy afaka mitroatra. Ianao koa kivy, miandry teny mba hivoatra. Ny omaly ihany anefa, no nitamberina anio. Naleonao nilefa, ‘ty fitiavany tadio”.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kilalaonny-fo
KILALAON'NY FO...!
RRAG
Ity tononkalo ity dia atolotro manokana ho an'ireo rehetra manam-po mitepo, ka mahatsapa fitiavana na izany efa naboraka na izany mbola voatahiry ao am-pony ka zary fitia tsiambararoa! KILALAON'NY FO...! Raha resaka fitia, no ‘ndeha hasian-teny, dia fo hafahafa, izany tsy hitia. Ny sasany aza moa, vao masony mijery, dia mahalaza sahady, fa babon’ny fitia! Misy ny mivaky, fa ao ny mitahiry, sakanana mihitsy, ny fitia tsy hitsiry. Heveriny angamba, fa sora-dalàna, indray mipimaso, dia azony fafana! Ao ireo manao, fitia kilalao, tsy mahatsapa akory, ny ràtra apetrany. Tsy mbola niova, hatramin'izao, na maro aza hono, ny efa voazerany! Fo mba karakory, izany hankahala, hifahavalo amin'ny tiany, 'zay hantsoiny malala? Toa sarisary, mety hoe fo sendra tezitra, nefa na izany aza, mitadiava hevitra! Ny kilalaon'ny fo mantsy, tsy iza tsy akory, fa ny misangy, fitia resi-tory. Manaitra tsy rotitra, hifoha torimaso, nefa dia maràtra, raha sendra ankaso! Ny kilalaom-po, toa sangy tsy lera, tsy misy fotoana, fa ho hila isan'andro. Voafingana kely, dia efa mianjera, izay ve vao hoe: “Nidiran'andro?” Ny kilalaom-po anefa, dia novolen'ny saina, zary faka mamatotra, tsy tambo isaina. Tsy tena voka-po, fa toy ny ahi-dratsy, nefa fakam-panahy, tsy mety maty! Tsy hoe ratsy akory, ny mitepo fitiavana, fa ny kilalaom-po, no manimba ny fototra. Dia ny tsy nihary, no zary hitavana, satria ny anao fitia, an-tendro molotra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-hiranao
NY HIRANAO…
RRAG
NY HIRANAO… Raha izao tontolo izao, no hoe hangina sy hisaona, dia irony hiranao, no hiverina hampihaona. Hamelombelona indray, ny hasambarankelintsika, Hanazavazava koa, ny haizin’ny akanintsika. Raha ny tany no hangina, ho maizina daholo, dia ny hiranao ry tiana, dia efa afaka hisolo. Hisolo ilay tsy eto, hanolo ny hazavana, hamerina ny vetso, hitondra hafanana. Raha ny lasantsika, no fery handràtra aina, na ny fitia mangatsiaka, tsy azo hantenaina. Dia ho ny hiranao, no hoventesiko mangina, amin’izato feonao, norakofam-pifaliana. Raha ny ranomaso, no hiverina hilatsaka, ka hihitatra ny fery, ny omaly tsy hitsahatra. Dia aleoko ihany, mihaino ny hirahiranao, na mafy aza izany, hoe mahatsiarotsiaro anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/veloma-bonne-nuit
VELOMA “BONNE NUIT”!
RRAG
VELOMA “BONNE NUIT”! Fanonoko isak’alina, an-kafa-tarobia, ilay veloma ho anao, veloma “bonne nuit!”, raha iny aho sendra manina, mahatsiarotsiaro andrỳ. Mitsiahy ny fahiny, mitsiaro ilay fitia, manembona anao, any ilavitra any, anatin’ny hafatro iny, misy fo tomany. Tsy mety miala am-bavako, ny anaranao, ny hafatra soratako, tsy toy ny vao natao, fa toy ny tahiry, am-bokin’ny fitia. Mitondra lohateny, veloma “bonne nuit”!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/topimaso
TOPIMASO…
RRAG
TOPIMASO… Topimaso sendra lasa, nitily azy avy ilavitra, no nanaitra ny fonao, nahatonga anao hijery. Saingy ny azy nisy harika, longilongy toa fanao, sady arahany eson-teny. Topimason’ireo kasa, tara-davitry ny hoavy, no natosakao ny lasa, mba tsy hisy fato-tady, na fery hafa hitamberina, ankoatra ny efa misy. Dia ny fahiny no naverina, nosivanina hanify! Topimaso sendra lasa, no nanaitra ny fonao, fa fijery mahazatra, no namaly ny antsonao. Topimaso tsy nampoizina, no niantsampy taminao, io ‘lay jery zary poizina, tsatok’antsy avy aminao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-orokao
NY OROKAO…
RRAG
NY OROKAO… Vao maraina, maneno akoho, isika mihaona, mifampitaona an-jaridaina, dia toy izany foana. Isan’andro isan’andro, dia misaraka isika, vao miposaka masoandro, sao misy olona mahita. Dia mihaona indray izaho sy ianao, raha vao dify ny masoandro. Eo no ahenoiko, ny hatsaran’ny orokao, miahy matsiro isan’andro. Oro-piarahabana, mari-pifaliana. Oroka mahalala, ‘lay olon-tena tiana. Namela dia-molotra, teo amin’ny tavako. Nanoritra ‘lay holatra, teo amin’ny vavako. Ny orokao, oroky ny tiana. Ny orokao, nitondra faniriana. Nitondra ilay fitserana, irony fo mangina, resim-panenenana, mizaka fijaliana. Nalavon’ny fitiavana, noho ny fanahiana, mizaka ny hamazan’ny fangirifiriana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleoko-tsy-izy
ALEOKO TSY IZY…
RRAG
ALEOKO TSY IZY… Raha ho tiana aho ka tapany, na ho hatsasatsasany ihany, dia aleoko tsy izy aho, satria tsy tena tia ianao. Raha ho tiana ka ny ampahany, na ho potipotiny ihany, dia aleoko tsy izy aho, fa tsy tia ahy ianao. Raha ny fitafy eny an-koditro, na ny bangobango voloko, no hitiavanao ahy, dia aleoko tsy izy aho. Raha ny vola, ny fananako, ny firavaka eny an-tanako, no hitiavanao ny tenako, dia aleoko tsy izy aho. Raha ny rotsy, ny hantahanta, ilay natolotro fahiny, foiny isika mbola zaza, no tena hitiavanao ny aiko, dia aleo tsy izy aho, fa toa tsy ho haiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-tsikiny-iny
INY TSIKINY INY!
RRAG
INY TSIKINY INY! Iny tsikiny iny, tsy midika velively, ‘zay heverin’ny fonao! Ny jeriny, na aza tsy afaka niteny, dia tsy ny eritreritrao! Raha mety, aza terena haneho fitia, ny fahatsorana nasehony. Aza adika akory hoe, te hiara-dia, ny angolangolam-peony! Iny tsikiny iny, tsy nilaza sanatria, izay nihiboka tam-pony! Iny fony iny, tsy namboraka fitia, ka aza terena tsy hitony! Raha mety, ny eritreritrao aleo, tsy dia hisidina ambony! Ihany koa, ny sainao tereo, tsy hanosika azy intsony! Hankahala ilay fitia, izay noheveriny, nandràtra ny atin’ny fony! Namonga-dasa, efa naleviny, ‘zay tsy ninoany hitony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nahoana-kay
NAHOANA KAY?
RRAG
NAHOANA KAY? Nahoana kay ianao no nandao, tsy mba nampilaza, hatramin’izao? Nefa ny foko, mbola tia anao, ka aiza ry tiako no misy anao? Ny aliko iny, toa ranomaso, mandena ny ondako, toy ny ora-nafafy. Ny maraina aho, toa bongo maso, malahelo anao, ka tady hitapy. Nahoana kay no dia lasa ianao, nefa ny foko, toa mbola tsy lao? Sa kosa lahy, efa kivy ianao, maika ny handrava, fa leo ny lalao?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-tsy-misy-baraingo
TENY TSY MISY BARAINGO…
RRAG
TENY TSY MISY BARAINGO… Ny tiako, ny tiana, ny am-poko tsy irina, satriko koa ho isam-paniriana, anatin’ny fon’ilay olon-tiana. Ny sentoko, ny antso, ny fanahiko mivetso, no reko manako manaitra ny foko, hiverina hisento. Teny ny ahy, tsy misy baraingo, tsy fanontaniana, vetsom-panahy teny mihaingo, rindram-pifaliana. Teny tsy miendrika fanontaniana, tsy mba ankamantatra, fa tenin’ny fo avy amin’ny tiana, ilay mbola tsy fantatra!