url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miteny-ny-tanana
MITENY NY TANANA
Fredy Jaofera
MITENY NY TANANA Miteny ny tanana rehefa manoratra, hita ho havanana, sady mamokatra. Miteny ny tanana rehefa mitomany, tsy hay sakanana fa lasa eny ihany. Miteny ny tanana rehefa mamaritra nofim-piadanana mbola tsy aritra ! Miteny ny tanana rehefa mamosaka 'reo ainga manana ny tsapa mitosaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/ranomasim-be
RANOMASIM-BE
Tara-masoandro
Injany, injany fa toa reko manakoako mafy, avy any am-paralalina tsy taka-maso Ilay feonao mambabo, sy manainga ahy avy hatrany, miantso ny fanahiko hifantoka any ho any. Ireo masoko, antsoinao hitodika, hitazana ny hankaton'izato lokonao manga manjopika, tarafin'ny masoandro Ny onjanao malefaka arahina tso-driv...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lasa-nody-izy
LASA NODY IZY...
RRAG
LASA NODY IZY... Omaly harivariva, 'lay izy avy nihaona, namonjy ilay ora, nataonareo fotoana, no nisy hafanana, farany ny vatany. Fa lavo nianjera, nazeran'ny ràtrany! Izay nihombo mafy, raha nahare anao, nahare 'lay tiany, nilaza ho efa lao, nilaza fa tsy tia, tsy te hahita intsony. Tamin'iny anefa, no hany n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ny-tomanin-ny-lanitra
NY TOMANIN’ NY LANITRA…
AbouNusrayni
NY TOMANIN’ NY LANITRA… Tonga indray ary ity - ilay ranomaso avy any an-danitra, Nandraindraina efa ela - mba hamelombelon’aina Mitondra rano iria-mahaory - atahora-mahafinaritra Mampanahy sao ho be loatra - nefa tena mba ilaina. Endrey ny tavan’ity lanitra - manjombona tomany; Mandrotsa-dranon’orana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hazo-boboka
HAZO BOBOKA…
RRAG
HAZO BOBOKA… Raha iny amin’ny alina tena mahory, no misy fitia hoe hamono fitiavana. Na ilay sasak’alina renoka tory, no misy mitsaika handom-baravarana. Dia rariny angamba raha tezitra ianao, ka avy hankahala azy tsotra izao! Fa moa ve ny fo ka hainy toherina, tsy hipololoitra fitia hahakasika anao? Raha izan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-matory-aza
NA MATORY AZA…!
RRAG
NA MATORY AZA…! Raha mbola misy sora-tanako, ka miresaka fitia, dia mbola misy fo mitepo, sy olon-droa miara-dia, mifampizara hafaliana, mifanohan-tsy ho lavo. Ka miaraka mamindra, miara-manandratra ny avo! Raha mbola misy iray tsy may, tamin’ireny diam-peniko, dia hisy fo hamaky hatrany, irony aingan’ny tsipelik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/justin-tahirisoa/ny-foko
NY FOKO
Justin TAHIRISOA
NY FOKO Miavaka ity foko, Fo miankoso vato, Vato vatosoa, Vatosoa voaloko, Loko meva, kanto, Kanto tena soa. Tokan-tsarobidy, Sarobidy lafo, Lafo ‘nefa mora. Mora tsy voavidy, Tsy voavidy f’afo, Afo miava-tsora. Fo maraki-tsento, Senton’ilay osa, Osa oriory; Ory ka mametso, Vetso kely votsa, Votsa ngo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fetra-nalahatra
FETRA NALAHATRA...!
RRAG
FETRA NALAHATRA...! Ry Ray ao ambony, toa mafy loatra, 'ty kapoka hadona, ny foko maràtra. Izaho, mba te hitroatra, nefa miahy mafy, 'ty dona mihatra. Ny lanitra manga, tsy namako akory, fa zavona mainty, no manarona ahy. Ny ali-mangina, zary tsy hahitan-tory. Te hivavaka ihany, fa saingy toa tsy sahy! Matahot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/samy-vita
SAMY VITA…!
RRAG
SAMY VITA…! Raha madiva hilentika iny iry masoandro ka ‘ndeha hody, kanefa ny fo mbola re fa dia malaina! Dia aiza ho aiza izany, no mety hahita fanafody? Moa ve mbola hoentin’ny ampitso maraina? Raha misy any ho any fitia, noterena hofaranana. Ràtram-po anefa no vokatr’izany! Dia mbola hisy hilaza ve, fa ny fan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-fasako
RY FASAKO...!
RRAG
RY FASAKO...! Na inona ho ataoko, na aiza no alehako, tsy maintsy any aminao, ny akany hilevenako? Ka 'zay safidiko, izay rehetra ataoko, dia tsy maintsy hiafara, amin'ny fialàn'ny fofon'aiko. Ry fasana akaniko, tsy laviko 'zay vita, fa tsy hiteny kosa aho, 'zay zavatra tsy hita. Satria tokoa mantsy, ianao no fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fasam-pitia
FASAM-PITIA...!
RRAG
FASAM-PITIA...! Tomany tsy lefin'ny taona mandalo, fery miraikitra! Senton'ny fo toa mampijaly, mamela takaitra! Fasam-pitia mijanona ho tsiaro, tahiry ao anaty! Ràtra tsy sitran'ireo tamby omaly, efa tsy ho tanty! Fasam-pitia nandevenana lasa, nofy sy tsiahy! Setran'ny vintana tamin'ny kasa, zary ahiahy! Ringi-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vavaka-mitady-valiny
VAVAKA MITADY VALINY...
RRAG
VAVAKA MITADY VALINY... Miantso aho ry Tompo, mangina ny atim-poko, misento an'alahelo,mijery ity taniko. Mangataka aminao, izay anjara zoko, ho hery hanafahako,hamafa ity tomaniko. Ry Ray ao ambony, fa dia nahoana kosa, ity fireneko, no mbola boka trosa? Nefa ireo harenany, miondrana isan'andro, aiza re ry Tom...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/felan-draozy
FELAN-DRAOZY…!
RRAG
FELAN-DRAOZY…! Misy hika iray mitroatra, maniry mafy ny hivoaka, hazonin’ny atim-po, ka fatorany tsy hiloaka. Mikiry mafy ery, ‘njany, fa hipaika any aminao, dia ‘lay hika iray tam-pony, ‘zay diso fantatrao. Ry felan-draozy fotsy, ilay fitiavany madio. Tsy hihintsana ianao, sanatria, na sendra izay tadio. Mirior...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-torimasoko
NY TORIMASOKO...!
RRAG
NY TORIMASOKO...! Tonga tsy nantsoina, avy tsy mba niera, manarona ny masoko, ny torimason'ny alina! Misintona ny tena, sady tsy mamela, mamela ny aina, hatory tsy ho malona!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ekeko-ry-tiana
EKEKO RY TIANA...!
RRAG
Valin-kafatra ho an'ny antsa tononkalon'i RADO na George ANDRIAMANANTENA izay nampitondrainy ny lohateny hoe: "TIAVIKO MANGINA". Nosoratany ny 23 Mey 2000. Isaorana manokana i RADO! Mandria am-piadanana ry Ray nikolo sy nitaiza! Nanabe ny fanahy! EKEKO RY TIANA...! Ekeko tsy ankisalasala, ny hotiavinao mangina. Eny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-voninkazo-sy-ianao
NY VONINKAZO SY IANAO…
RRAG
NY VONINKAZO SY IANAO… Ny voninkazo sy ianao, iray kanefa samihafa! Samy tsy tia raorao, ary tsy mba mihafahafa! Tia rehefa tena tia, tsy mitaky izay ho tambiny! Fitia feno fa tsy sanatria, efa sisa sy ambinambiny! Voninkazo ianao ry tiana, voninkazo hafakely! Halaviran-karatsiana, kanto amin'ny fijery! Voninkaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anaka-14070
ANAKA...!
RRAG
ANAKA...! Toa nataoko ny nangina, saingy efa aty an-tenda. Tsy notoheriko ny vina, nefa tsy mahatanty sedra. Izato ianao mimamo foana, efa mila ho any an-tatatra. Mandeha anefa ny fotoana, ny ady ho hatrehina tsy hitsahatra. Anaka! Ny tanjonao tsy misy vita, toa ilavitra kinendry. Izay tontosa na tsy hita, dia la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sendra-ny
SENDRA NY...!
RRAG
SENDRA NY...! Raha sendra mibaliaka ny andro maraina. Ny taratra hazavany mameno ny saha. Dia miarena fa aza malaina, ny hiatrika ady dia mba sahisahy! Raha rakofan-javona ny maraim-baovao. Aza matahotra fa sahia miroso. Haizina ve no hatahoranao, hahatonganao tsy hety handroso? Raha sendra tomany ny fo malahe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tinapaka-ny-tady
TINAPAKA NY TADY...!
RRAG
TINAPAKA NY TADY...! Toa nofy ratsiko iny, manindrona ahy mafy, manakana ny tongotro, tsy hiroso hanatona azy. Ny foko mitomany, toa hila tsy hahatanty, mahatsiaro ireo sangy, miary vazivazy. Manindrona ahy ny ainga, tiako hampitaina. Ny lasa toa mamatotra, ny saiko tsy hifoha. Angamba nofinofy, mihazona ny sain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hoy-ianao-taminy
HOY IANAO TAMINY...!
RRAG
HOY IANAO TAMINY...! Marary aho ry tiana, toa resy sahady. Midoboka mafy, ny foko ato anaty. Rava ireo vina, noho ‘reo adiady. Ny fitiavana mihitsy, no toa efa maty! Izy amin'izany, toa alim-pody. Isan'andro mamolava, sy mamono vady. Efa lehilahy, tsy mataho-tody. Raha sendra tsy mamo, dia mamorona ady. Misent...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/elaela
ELAELA...!
RRAG
ELAELA...! Misento malahelo, manina anareo, ity tanànantsika, ivereno mba jereo. Fa mangina loatra, toy ny misaona, tongava re aty, fa ela no tsy nihaona! Elaela marina, no tsy nifankahita, mbola ho ela ve, ny fianarana vao ho vita? Fa tena manina ny aty, malahelo ireo koràna! Mitomany sy misento koa, fa mahats...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fototraina
FOTOTR’AINA…!
RRAG
FOTOTR’AINA…! Ny rano an-doharano, madio mangatsakatsaka, mamaky haram-bato,manarakara-kady. Irony ranomamy, tinaza-midadasika, eny an-dranomasina, vao ‘njay mifampitady! Hafa ihany lahy, ny voatran-Janahary, fa miavaka sy tokana, kanto ohatr’izany! Tena tsara voatra, sady tsara kajy, fototry ny aina, mamelona ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/angamba
ANGAMBA...!
RRAG
ANGAMBA...! Tsy afaka aho ny hitsara, tsy afaka hanameloka. Tsy afaka ny hilaza, izay an'eritreritro. Tsy afaka hitsikera, izay ambaranao. Angamba efa lava, ny ady izay natao. Raha ny taza-masoko, tsy hitako ny ambara. Ny eo am-pelatanako, tsy ahafahako mizara. Dia sakantsakan-dava, ny iainako eto an-tany. Anga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-misy-manenjika-aza-aho
NA MISY MANENJIKA AZA AHO!
RRAG
NA MISY MANENJIKA AZA AHO! Fantatro fa, tsisy antenaiko, raha mbola eto an-tany. Ekeko hoe, ireo fery zakaiko, dia fakan'ny omaly. Rantsan-tsy tapaka, mamatotra ahy, ho sakan'ny ampitso. Raha ny fiheverako, hanam-pahafahana, dia toa hevi-diso! Na dia enjehina aza aho, manam-piahy, tsy miady irery. Ny omaliko, ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iarantsoa-mahefa/asakasakareo
ASAKASAKAREO
IARANTSOA Mahefa
ASAKASAKAREO Asakasak ireo tsy miraika amin' ny antson' ilay olon-tiana. Asakasakareo 'zay tsy maika hamonjy ny tany fodiana. Asakasakareo tsy hamaly ny hiakan'ny fo sasa-miandry. Asakasakareo hampijaly 'lay tiana tsy tafandrimandry. Asakasakareo 'zay tsy manina miseho tsy ho tratry ny nenina. Asakasakareo m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maraim-baovao
MARAIM-BAOVAO...!
RRAG
MARAIM-BAOVAO...! Hafa ihany ilay maraina, na mafy aza ny ady omaly. Ilavitra ahy ny taraina, ny tavako aza toa mba faly. Ny enti-miady aina vao, ainga sy teti-pahavononana. Ka vononà izato ianao, sahia miady ho an'ny ankohonana. Maraim-baovao mitondra taratra, mitinaratra ny fiainana. Maraina toa ilavi-baratra, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mpianatra
MPIANATRA...!
RRAG
"Arahabaina tratry ny asaramanitra e! Tratry ny taom-baovao Malagasy avokoa isika Malagasy tsy misy hanavahana!" MPIANATRA...! Vao miandoha ny taom-pianarana, kamokamo ny atin-tsaina. Ny fisoratana anarana, manorisory mampalaina. Dia vao tonga an-dakilasy, manoaka sy mitabataba. Ny te hianatra no mihafy, sendra ad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-tena-fantatrao
EFA TENA FANTATRAO
RRAG
Valin-kafatra kely ho an'i DOX amin'ilay antsa tononkalony nampitondrainy ny lohateny hoe: “ILAY TSY FANTATRA HO FANTATRA”. Nosoratany ny taona 1942. EFA TENA FANTATRAO Eny, efa tena fantatrao, ny fiantso ahy izao. Anaran-tsotra tsy mba miavaka, hafa ihany i Kala Ravaka. Fa ny ahy dia Vero tsy hanampiana, tsisy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sorona
SORONA...!
RRAG
SORONA...! Raha sendra ianao mandeha, mandalo Moramanga, mahita tsangambato, tsiaron'irony ady. Mijanonà kely, ho tsiahin'iretsy olomanga, resy an-tanam-polo, noho ny dika fady. Nirehitra ny tolona, romotra ny olona, tezitra ny Gasy, niady na dia tsy tamim-basy. Sahotaka ny tany, ny Gasy tena vonona, fa sendra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-ianao
RAHA IANAO...!
RRAG
RAHA IANAO...! Ry fitiavana, raha heloka ianao, aleo aho helohina, hibaby ny vitako, hizoga ny sazy, izay mendrika ahy. Ka ny fahatanorako, dia fonjan'ny fiainako, nefa tsy ho voadingana, tsy afaka ho fafana, eo amin'ny lalako, 'ty isan'ny sedra mampiahiahy. Raha ianao no fonja, aleo aho hiantrano, ao aminao, ao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lasa-ianao
LASA IANAO..!
RRAG
LASA IANAO..! Indray taona toy izao, sahalahala volon'andro, no nahitako anao, mitovy ora-pamataranandro, tamin'ilay roa taona, 'zay roa taona efa dify, ka nifandaozantsika. Ilay ririnina, ianao tanaty akanjo izay nanify, tsapako fa tena nangatsiaka, sady mbola sendra orana, orambe nivatravatra, ianao ilay nofihi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-moa-ianao
IZA MOA IANAO...?
RRAG
IZA MOA IANAO...? Mba gagagaga ihany aho, mandinika 'ty foko, tsy mba nahatana tena, raha vao nahita anao. Zary isan'androko, lasa namana tsy foiko! Mba manontany tena aho hoe: “Iza moa ianao?” Mientana avy hatrany, ny atiko rehetra! Mihovitra ny tenako, eo akaikinao. Ny afo izay mirehitra, toa tsy manam-petra. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kitozanantitra
KITOZAN'ANTITRA…
RRAG
KITOZAN'ANTITRA… Ateliko e! Ateliko! Tsy misy taola-mafy. Averiko hoe! Averiko! Fa tena oza-maty. Tsy hita hokaikerina, tsy efa hotsakoina! Tsy hisy fahataperana, eny, na tsy hisy aza hakamoana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-avahana/banjininao-maharitra-amin
Adimaso
Tsy Avahana
Banjininao maharitra amin'ny masonao ny masoko dia indro mitamberina avy any am-parahatoko 'Ny kilalao fahiny fanaonay fahazaza...! (Nataonao koa angamba) "Lay hoe mampiady maso" Tsy very ny tadidiko...fa zavatra tsikaritro matetika no resiko ny mpifanandrina amiko fa na mikimpy alohako, na mihodina avy hatrany....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-ianao-rilay-tsy-fantatro-anarana
TIAKO IANAO, R'ILAY TSY FANTATRO ANARANA...!
RRAG
TIAKO IANAO, R'ILAY TSY FANTATRO ANARANA...! Ianao 'lay teny an-dalana, miaron’akanjo volontany. Tovovavy tena manja, raha mitsiky toy izany. Izato fibaben-kitapo, somary atao mirirandrirana. Ny endri-tavanao angamba, no iantsoako anao hoe: “Mirana”. Nefa toa tsy izany indray, fa dia miavaka famindra. Sa ianao ry...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-sendra-sorena
RAHA SENDRA SORENA...!
RRAG
RAHA SENDRA SORENA...! Raha sendra sorena ny tena indraindray, ka mieza-mampitony ny fo efa hitroatra. Dia mba tsarovy fa any misy iray, olona tokana hanome anao mihoatra. Fitia iray mihoatra ilay nandràtra anao. Olona tokana hafa fijery! Saingy io ilay tena tia, tena tia anao. Fitiavana madio tsy misy teritery...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-mba-tazanina
TIAKO MBA TAZANINA...
RRAG
TIAKO MBA TAZANINA... Toa aloka mandalo, miserana an-tsegaondra. Toy irony kalo, tsy re efa aman-taona. Ny endrikao ry lisy, rava-jaridaiko... Saingy nefa indrisy, tsy ho afaka ho halaiko. Tsy afaka ny otazako, fa zary nofinofy. Nofin'ity aliko, izany mba hitosy. Ilavitra tsy takatro, tsy mahare ny antsoko. Aiz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-androm-pandresena
ILAY ANDROM-PANDRESENA...!
RRAG
ILAY ANDROM-PANDRESENA...! Raha tamin'ny andro fahagola, tany an-tanin-Jiosy tany, dia andro miavaka sy tokana, izany hoe Paka izany. Fotoana hisakafoambe, mofo ary koa divay, fa taty aoriana kosa, niova izay fety izay! Lasa androm-pamonjena, nitsanganan'i Mesia. Tsy iza moa izy izay, fa i Jesoa Kristy. 'Lay nis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fara-teny
FARA-TENY...!
RRAG
FARA-TENY...! Maro no nisakana, namingana ny tena. Tsy vitsy no nibahana, hanosika hianjera. Hamotika ny fototra, hanongotra ny faka. Toy ny olo-romotra, te hahazo laka! Te hanjaka irery, te handrava ny efa! Tsy ankiteniteny, fa avy dia hisetra! Teny farany anefa, teny tokana no ambarako. Fa tsy misy afaka hame...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-foko
RY FOKO...!
RRAG
RY FOKO...! Ry foko, fa dia nahoana kosa re, no midoboka ohatr'izany, miredareda toy ny afo, ny anatiko rehetra? Nefa izaho sy ianao fahiny, tsy nahalala izay tomany, ny filàm-banina aza, tena toetra tsisy fetra! Tsaroako ireny aho vao nitia, tsy nanisy lanja akory, ny hasarotam-piaron'iny tovovavy tiako iny. As...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-paka-toy-izao
'LAY PAKA TOY IZAO...!
RRAG
'LAY PAKA TOY IZAO...! Ekeko fety masina, ny Paka toy izao, saingy hafa ihany, ilay Paka lasa izay. Teo no nahitako, 'lay tena endrikao, ianao 'lay nandalo, teny akaikinay! Iny Paka iny, no Paka fahavelomako, nitsirin'ny foko hitia, hitia anao mpandalo. Iny Paka iny, no nanomboham-pitolomako, ka nanolorako fiti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-avahana/dia-tsy-haiko-mihitsy-aki
Dia tsy haiko mihitsy aki
Tsy Avahana
Dia tsy haiko mihitsy akia, ny tena tiako hatao fa satriko hosoratana amin'ny taza-maso rehetra ny anaranaranao. Izay azo asiana soratra toa tiako hasiana hoe: F...mira T....! Ny rindrina rehetra, ny boky 'zay vakiko hatrany an-dalan-tsara, ka hatreny an-doha fandriako Toa satry izany foana 'zay rehetra rehetra h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-isika-roa
REHEFA ISIKA ROA
Fredy Jaofera
REHEFA ISIKA ROA Rehefa isika roa no miray fanahy amin'ny fiainana dia marina tokoa, tsy azon' ahiahy, fa iray fisainana. Rehefa isika roa no miray tigetra amin'izay aleha, inoako tsara koa fa mitovy toetra masina eto ange. Rehefa isika roa no miray safidy amin'izay ekena dia ho zava-tsoa hita ho sarob...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-lalanao-iny
INY LALANAO INY...!
RRAG
INY LALANAO INY...! Ry sombin'ny ainin'i Neny, aza mitomany, fafao 'ty ranomaso, fa aleo izy ho any. Izy no tsy tia, mitotoa koba hatavy! Izy ve no handao, dia ataonao hampanavy? Tsapako tanteraka, ny alahelonao, nefa! Aza atao mahaketraka, raha ady toy izao. Fa mbola hisy ihany, taratra hazavana. Mbola ho lefy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/oly
OLY...!
RRAG
OLY...! Ny anaranao tsy vitsy mpanana, fa hafa raha ny toetranao, tsotra tsy miavonavona, sariaka hatramin'ny endrikao. Izato tavanao mitsiky, maneho fahatsorana ohatr'izany. Ny fetram-piainana manify, no tsy andatsahanao tomany! Somary asianao sangy kely, hanihany koa 'ndraindray. 'Lay masonao tia jery, maneho f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-tsy-tanteraka
FITIA TSY TANTERAKA...!
RRAG
FITIA TSY TANTERAKA...! Nikiky mafy ny atiko, nanindrona ny foko. Nandona ny fanahiko, fa ianao ilay tsy foiko, no tsy tia ahy, toa nandositra ahy. Ka fo ahoana moa, no tsy mba hiahiahy? Ny anaranao tsy maty, ny jerinao mitoetra. 'Lay tsikinao niantoraka, noheveriko tsy hisy fetra, saingy kapoka amiko, ny nitia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-avahana/izay.....no
IZAY.....NO......
Tsy Avahana
Ny topi-maso kely nifanomezantsika no nampifoha indray ny masoko natory ny tsikinao niserana tanaty iray minitra dia ampy nahafoana ny taonan-tsorisory Ny asa soratrao no tiako hosoratana ny ainga anatinao no ainga tiako hateraka ny ao am-ponao ao no tiako hifanarahana hiombona amin'ny foko 'zay tia anao tantera...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-any-aminay
NY ANY AMINAY
Fredy Jaofera
NY ANY AMINAY Ny any aminay dia ambanivohitra tsy misy antsonjay fa rindran'ny vohitra. Ny any aminay dia tsy be tabataba fa mora mifandray, na iza no miarahaba. Ny any aminay dia toeran-tsy foy fa mamoha indray 'tony aingako hitohy. Ny any aminay dia lavi-pivoarana fa tsapa ho mahay miaina hasambarana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anao-mpamaky
HO ANAO MPAMAKY...!
RRAG
HO ANAO MPAMAKY...! Tsy lafatra akory, ireo poetantsika. Tsy Andriamanitra izy, fa tena toa antsika. Olombelona, mba manam-pahadisoana. Manana ainga vao, mirakitra finoana! Tsy farany avo izy, fa tsotsotra ihany. Toa anao koa, sendra ady dia tomany. Mieritreritra 'ty fiainany, dia mba malahelo. Ny fiainany eto ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nahoana-kosa
NAHOANA KOSA...?
RRAG
Ity tononkalo ity dia mitantara fiainana rangahy nanabe sy nampita ny zanany tamin'ny fianarany! Eny tany ampitan-dranomasina mihitsy aza! Saingy rehefa tafaverina ireto zanany telo mianadahy dia samy nanana ny fiainany avy! Narary ingahy rainy nefa tsy nisy niraharaha azy izy ireo fa samy nilaza hosahirana avokoa! Lan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ankehitriny
NY ANKEHITRINY
Fredy Jaofera
NY ANKEHITRINY Rehefa ela loatra no isainana ny hoavy dia ho lasa ny ankehitriny, ny tonga hiloatra na hanelingelina avy dia izay nandreraka fahiny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mahantra-aho
MAHANTRA AHO...!
RRAG
Ity tononkalo ity dia mitantara fiainana zazavavikely 8 taona izay kamboty Ray sy Reny! Nanana ny ampy izy raha lova no ambara ary mety nahatafita azy lavitra mihitsy izany saingy sendra olona tsy azo itokisana no nametrahan'ireo Ray aman-dReniny izany! Ka na dia tapa-panjaitra iray aza tsy azony! Nenitoany kambana ami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-avahana/teninao-ny-hoe-mafisa-f
Teninao ny hoe: "Mafisa f
Tsy Avahana
Teninao ny hoe: "Mafisa fo malala a! " Ka nony injay ka mafy ny foko sy ny saiko dia hita hotsikeraina ny zavatra lazaiko...! 'Zafady aloha r'ikala Nifankatia isika...f'izao mifankahala Izay hoentinao dia ento f'izaho efa nivonona Na teny tambitamby na teny tsy misorona...! Ianao no nihodinkodina tsy hita ho ten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-omaly
NY OMALY...!
RRAG
NY OMALY...! Raha samy vinaniana, ny omaly sy ny anio, ary koa ny ampitso, dia aleoko ihany, misafidy lasa, izay efa hita sedra. Fa raha ny ampitso, ny feriko omaly, mety ho hasiso, ny tia mety handao, ny lasa hitamberina, ka tsy ho kisendrasendra, ny fisarahantsika, fa vokatry ny omaly, 'lay satriko fafana. Sain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sarisarim-pitia
SARISARIM-PITIA...!
RRAG
SARISARIM-PITIA...! Tena fitia iray tsara faka, no natolotro anao. Fitia tena izy, tsy mba kilalao. Saingy indrisy, nolotoinao, nosimbainao. Ka zary namery, hatramin'izao! Sarisarim-pitia, no natolotrao ahy. Ny fihetsikao, dia efa nampiahiahy. Saingy tia moa aho, dia tsy afa-niahotra. Dia nofenoinao fitaka, sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/raha-sitraky-ny-tompo-na-in-shaa-allah_featuring-maher-zain
RAHA SITRAKY NY TOMPO na IN SHA’A ALLAH_featuring Maher Zain
AbouNusrayni
RAHA SITRAKY NY TOMPO na IN SHA’A ALLAH (version Malagasy) R’HEF’ IANAO, TOA TARAIKY LAVA IZAO, MAHATSIARO HO VERY ARY TENA MANIRERY ALINA DAHOLO MAIZIN-PITO NY TONTOLO RENAO HO VOAFEH’ TSY HITANAO IZAY HO ALEH’ AZA KIVIKIVY NA MANARY TOK’ IZATO IZY FA NY TOOOMPONAO TSY OVIANA HANDAO IN SHA’A ALLAH (x3) ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mba-tsy-nofy
RAHA MBA TSY NOFY...!
RRAG
RAHA MBA TSY NOFY...! Tiako mba hiverina, tsy ho toy ny nofy fotsiny, ny lasam-pahazazako, tahaka irony ankizy, zaza milalao, tsy manana ny tsininy. Saingy, toa tsiaro fotsiny izy! Irony ankiafina, sy kivarivary! Irony sangisangy, arahana fanorona! Irony kilalao, toy ny kisarisary! Akanim-pahasambarana, honenam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-harinjaka/hatrany-aho-mbola-tia-mat
Hatrany matokia
Ando Harinjaka
Hatrany aho mbola tia Matoa tsy sahy nandao Hatrany aho mbola babo Matoa tsy sahy nanary Sy nampirafy anao Koa hatrany matokia Ary aza saropiaro Nefa hatrany koa fantaro Fa ny elanelan-tany Misy eo amintsika Misy te hanararaotra Andrombahana ny foko Efa tsara kolokolo Sy voakarakaranao. Ary hatrany mahare...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fientanam-po
FIENTANAM-PO
Fredy Jaofera
FIENTANAM-PO Fientanam-po manimba ny mivoy ny hatezerana, na nahazo foana zimba ka aoka ange ho ferana. Fientanam-po mandavo ny mampiasa fialonana, tsy ahafahanao miravo rehefa tsy tia fifonana. Fientanam-po mandoro ny mamoaka fanesoana tena mahay manorotoro rehefa tojo fandotoana. Fientanam-po maharesy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-raozy-toa-anao
RAHA RAOZY TOA ANAO...!
RRAG
RAHA RAOZY TOA ANAO...! Maro ireo voary, miavaka sy tokana, fa ny foko kosa, mitepo anao manokana. Mihanoka fitia, hafa koa raha hafa! Hafa ianao raha raozy, ny tsilonao aza, toa tsy mandràtra. Izato fela-manitra, mieza-mandroboka. Ny voninao tavela, hita midoroboka. Mitàna ny hatsarana, miavaka sy tokana. Ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tojo-ilay-nirina
TOJO ILAY NIRINA...!
RRAG
TOJO ILAY NIRINA...! Tiako ianao hantsoina, malala tiako indrindra, tokana ao am-poko, safidy zary anjara. Hovaiko raha sitrakao, ilay hoe: “I Rindra”, anaranao, nahabotrabotra, sady nahatara. Nanaitra ny foko, hibaboka fa tia, ny anaranao, ampiako hoe: “Fitia”! Sa tsy tiandrỳ? Omeko anao ny anarana, lisin'ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mora-maratra
MORA MARATRA
Fredy Jaofera
MORA MARATRA Mora maratra ny tsara fanahy hita mamahatra tsy misy ahiahy. Mora maratra ny olo-mahitsy rehefa tsy zatra ny hafa mihitsy. Mora maratra ny olona tsotra rehefa tsy tratra ny tiana hizota. Mora maratra ny marina lava rehefa mihatra ny tsy mazava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ao-am-po
AO AM-PO
Fredy Jaofera
AO AM-PO Ao am-po, ny fitiavana mitory fahasambarana, tsy tia manavangavana sy tsy misy fitsaharana. Ao am-po, ny finoana katsahin'ny olombelona tsy mivoy ny fisentoana mitady hiselontselona. Ao am-po, ny fiadanana imatimatesan'ny mijaly fohazina hananganana ny tsara noho ny omaly. Ao am-po, ny fitoniana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravoson/ilay-raozy-malazo
Ilay raozy malazo
RAVOSON
Notsofinao ilay anjomara, hanaitra ny fiarahamonina Narehitrao ilay fanala, hanazava ny manodidina Natsanganao ilay faneva, hampiravona ilay efa hadiva Nampandrosoinao ilay mpandalo, ny andro efa hariva. Novoizinao anefa ity lakan-jejo ka nilaozanao Nisentosento tamin-dranomaso fa tsy ho afaka ny hilalao Nilaozan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tadidinao-lay-teto-o
TADIDINAO 'LAY TETO O?
RRAG
TADIDINAO 'LAY TETO O? Faka iray an-tsaiko, mamatotra ny foko, mamerina ny tsiaro, izato seza banga, afovoan-jaridaina, toy ny vao niloko. Tena tsaroako, fa teo aho no jamba! Jamba ilay fitiavana, jamban’ny hatsarana, tia ka te hamihina, 'ty raozy tsy mba ahy, hany ka voageja, an-tontolo ngazana. Saingy akaiky ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tohizana-any-ankoatra
TOHIZANA ANY ANKOATRA...!
RRAG
TOHIZANA ANY ANKOATRA...! Nosakanana isika, norarana ny tsy hiaraka. Eny, nifankatia tokoa isika, efa hatrany am-pianarana. Tsy nisy azontsika atao, fa setrasetra no nasetry. Dia ny fitiavako anao, no nolazaina hoe tsy nety! Asa, ny fari-piainan-tsy nitovy, sa saranga tsotra izao? No namerana ny antsika, ka naner...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-sary
'LAY SARY...!
RRAG
'LAY SARY...! Te hanontany aho, saingy miahotra, ny valin-teninao, no mety mampatahotra. Nefa, inona no hadisoako, raha hanontany anao? Asa a! Mety hoe matahotra, ny hilaozanao? Saingy tsy hitony, ny foko raha tsy hahalala, ny voka-tsavasavan'ity masoko adala. Ny saiko te hamantatra, fa izy moa no iza? Endrika ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kibo-manina
KIBO MANINA
Fredy Jaofera
KIBO MANINA Kibo manina, tsy mba noana, na feno hanina ny manoloana. Kibo manina, lasam-borona vao tazanina eny amorona. Kibo manina, misento irery vao seranina, voan'ny sery. Kibo manina, ory hafahafa ka valalanina rehefa mitafa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/niandry-izy...-dia-veloma-ianao
NIANDRY IZY... DIA VELOMA IANAO...!
RRAG
NIANDRY IZY... DIA VELOMA IANAO...! Fo ny azy fa tsy vato, mety ho sendra fahasorenana. Niaritra izy fa tsy tanty, ianao mihevitra azy hoe: “Vendrana!” Saingy izy tena tia, dia nandefi-tsy niteny, fa leo ihany ny niafarany, ianao aza tsy nijery. Dia niandry izy fiovàna, ianao nefa ity niziriziry. Tiany ianao, sai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/marain-dririnina
MARAIN-DRIRININA...!
RRAG
MARAIN-DRIRININA...! Ilay ianao somary tara, vao nahita tory iny, noho ny alin'ny hatsiaka, mitovy valaka amin'ny lasa. Nahatsiaro nangatsiaka, tahaka ny alina fahiny, asa ve hoe: “Tsy tsaroana tokoa, ny ririnin-dasa?” Ny maraina toa mikiry, miboko mafy ireto lamba, mivonkimbonkinkely ery, noho ny hatsiaka mamana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/patsa-iray-tsy-homby-vava
PATSA IRAY TSY HOMBY VAVA...!
RRAG
PATSA IRAY TSY HOMBY VAVA...! Neniko indray ny nilaza fa tia, ianao aza ity tsy mahafantatra ahy. Lalina anefa ny ivom-pitia, ka natokana ho an'ny manam-panahy! Zary vesatra manko, ny mahita anao, manaitra ny anatiko nefa tsy ahy. Tsy mihaino ny foko, minia mitalaho, sa izay 'lay mitia, dia hoe: "Ahy ny ahy!" ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indrisy-ry
INDRISY RY...!
RRAG
INDRISY RY...! Mba miangatra lahy, ry masoandro maraina, ny any tarafany, ny aty tsy ahoany. Nefa ny aty, maro fo mitaraina, nilaozan'ny tiany, ka tsy mety tony! Miavona ery, ry lanitra manga, mangarika mihitsy, ka rakofan-javona. Ka ilay fanantenana, efa nanangasanga, nierina kely, dia indro nanjavona. Manava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tafanambady-daholo
TAFANAMBADY DAHOLO…
AbouNusrayni
TAFANAMBADY DAHOLO… 1.Raha sarihiko ny tanako - hamela dia-penina, Ho an’ny mpiara-monina - sy ‘nareo havako Tsy noho ‘nareo irery - f’ izah’ mety hanenina, Rah’ tsy mah’vit’ adidy - k’efaiko ny anjarako. 2.Te hivoatra ianareo - ary dia mimpenimpenina, Manaonao foana - raha n’ maro efa tazako. ‘Nareo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-fotsiny-ianao
TIAKO FOTSINY IANAO...!
RRAG
TIAKO FOTSINY IANAO...! Tiako fotsiny ianao, tsy asiako fepetra, fitiavana madio, alavirin-kerisetra, fitia tena matotra, sanatria ny hivadibadika. Ny antsika roa fo mifamatotra, ka 'zay tia maharitra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-meloka-izy-moa-meloka-aho
RAHA MELOKA IZY, MOA MELOKA AHO?
RRAG
RAHA MELOKA IZY, MOA MELOKA AHO? Toa tsapako mikiky, maningotra ny aiko, 'reo adin-tsaina mitampify, mamatotra ny saiko, raha vao voadona ianao, 'lay aina avy amin'ny ahiko! Ka any toa tsy tony, mivezivezy ity fanahiko! Naditra ianao ry aiko, fa dia tsy nahoako, ny lasanao rehetra, dia efa samy novonoiko. Izay r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fanahy-no-maha-olona
NY FANAHY NO MAHAOLONA…
RRAG
NY FANAHY NO MAHAOLONA… Ny fo tsy te hangina, fa te hitroatra hiady, mba ho fanafahana, ny zoga entin-tena. Voafonja ny fanahy, voafatopato-tady, fa toa manjaka irery, ny fitiavan-tena. Mitroatra ny fanahy, mitady fahafahana, toa ny ahiahy, no ‘ndray misakan-dalana. Dia ny tena ihany, no mihazona ny laka, ny iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-tanananay
ILAY TANANANAY...!
RRAG
ILAY TANANANAY...! Maro ireo tanàna, no kanto manan-tantara, miavaka amin'ny maro, miendri-paradisa. Fa ny any aminay, no mbola tena tsara, tanàna nahabe, ilavi-disadisa! Tsy vitsy izy ireny, no rako-javaboary, tokana an-tany, tsy manam-paharoa. Fa ny tanànanay, dia tolo-Janahary, ka eo no hiafarana, raha teo n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/karazam-boninkazo
KARAZAM-BONINKAZO.
RRAG
KARAZAM-BONINKAZO. Ny “Iris” voninkazo tsara vony, toy ny fo mitony, mandravaka tontolo, rehefa tsara kolo. Ny “Cœur de Marie”, no voninkazon’ny fitia, manambatra olon-droa, famatotry ny fo. Ny “Oxalis” no voninkazo soa, tsy manam-paharoa, tsy miavaka amin’ny raozy, fa izy tsara paozy. Ny “Jasmin” no fanan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-hiteny-moa
RAHA HITENY MOA...!
RRAG
RAHA HITENY MOA...! Somary hafahafa ihany, toetra avy aiza no nitsiry? Ity tsy mena-miboridana, eny imason'anadahy! Maso sendra lasa ny azy, fa tsy izy no naniry, ny hitazana ny henatra aza, dia mampivonto ny fanahy! Takon-kenatra hono ireny, toa deraina ery 'ty izy, ka hatreny an-davarangana, miboridana ohatr'iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/avelao-re-ry-tompo
AVELAO RE RY TOMPO!
RRAG
AVELAO RE RY TOMPO! Vesaran'alahelo, ny fonay zandrinao. Hany resin-tsento, mivava-mitalaho! Mifona re fa diso, tsy mendri-pamelana. Avelao re ry Tompo, ireo hadalana! Hiezaka aho ny hiova, ho mendrika anao. Hanova ny famindra, ditra hatramin'izao! Raiso ny fifonako, fa efa nanenenako. Ny lasa ratsy vitako, ten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-inonao-ny-lasany
HO INONAO NY LASANY?
RRAG
HO INONAO NY LASANY? Ho inonao ny lasany, raha toa niova izy? Lasa toy ny lasa, ka tsara ve ny ho averina? Ho inonao 'zay vitany f'izao, mahatsapa-tena izy? Ka nanoritra ny kasany, ho tolom-panenenana! Lavo moa tsy ho lavo, ka nahoana no hiniana? Hiniana mbola hazera, hihosina maloto. Natao kisarisary, endrim-pa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ianao
ANY IANAO...!
RRAG
Atolotra ho an'ireo efa kamboty rehetra na io Ray, na io Reny, na io kamboty velon-dRay na io velon-dReny! Teo aloha dia tsy nisy lohateny ity tononkalo ity, ka indro ary izy hampitondraiko ny lohateny hoe: ANY IANAO...! Fo nahoana moa, no tsy mba haràtra, raha misy akaiky azy, lavo na nandao? Ninoninona ady mafy,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hiezaka-ny-hiova-aho
HIEZAKA NY HIOVA AHO…
RRAG
HIEZAKA NY HIOVA AHO… Tompo ô! Ekeko hoe mpanota, tia misotasota, ny anaranao, ity zandrinao. Ekeko fa mpandavo, ny rindrin-tsara joro, izay najoronao, ho fitahian’ny avo, ireto fo ‘zay toro, mibebaka aminao. Ekeko re ry Tompo, fa meloka ny foko, ninia nanalavitra, ny dina izay natao, teo anatrehan’ny l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/namako
NAMAKO...!
RRAG
NAMAKO...! Mba maro ny namako, fa hafa ianao, ilay namako hatramin'izay, ka hatramin'izao. Namana, namako fony fahazazana, eny! Hatramin'izao fahatanorana! Ianao no namafa, 'rony ranomasoko, niara-nizaka, irony ankasoko, niara-nifaly, nisedra ny lasana, ary hinoako, fa ho hatrany am-pasana! Tsy namadika ahy, t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izay
IZAY…
RRAG
IZAY… Tiako ianao, fa tsy mba nierika, nefa aho, na dify aza ianao, dia satriko ny hierika, hitazana anao, ‘lay mijery ahy! Tiako ianao, ka babonao tanteraka, ny atin’ny fanahy. Izay angamba ilay, safidy tsy tanteraka, na ihany koa anjara, anjara tsy ho teraka. Lahatra tsy hisy, tendritendrim-bintana, toy ny al...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/antsojay
ANTSOJAY…
RRAG
ANTSOJAY… Nidodo mafy teo an-dohako, ny fikotroky ny varatra, zavo-mainty iray matevina, no manarona ny taratra. Tafio-drivotra mifofo, no manozingozina ahy, dia mbola ho toa io ny ampitso, higafiana ahy tsy sahy! Mafy fitoto toy ny varatra, ny latsalatsan’olon-tiana, tsisy andro mba mitomaratra, azom-po mba hifa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/le-ciel-bleu
“LE CIEL BLEU”…
RRAG
“LE CIEL BLEU”… “Le ciel bleu! Es-tu là mon ciel bleu? Ta lumière vient-elle de Dieu? Es-tu l’image de tous les cieux?” Ny ao am-poko misy ilay “feu”, avy amin’ny hatsaran’ny “ciel bleu”. Ny raozy aza toa mba hoe “amoureux”, voasinton’ny fon’ilay “ciel bleu”. “Le ciel bleu! Où es-tu mon ciel bleu? Parce qu’e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-andriamanitry-ny-foko
NY ANDRIAMANITRY NY FOKO!
RRAG
NY ANDRIAMANITRY NY FOKO! Ny Andriamanitry ny foko, dia ianao ilay fitiavako. Tokiko sy finoako, sady ihany koa firavako. Tsy mba nandao, fa nijery ahy foana. Tsy nety lao, tsy namela ahy hisaona! Tsy nanoritra ny lahatra, fa namela fo hisafidy. Tsy nanosika ahy tan-tatatra, raha nisy hadino ny adidy. Fa vao mai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/66-taona-izay
66 TAONA IZAY…
RRAG
Tsiaro ny faha 66 taonan’ny fitsingerenam-pahatsiarovana ny 29 Martsa 1947 – 29 Martsa 2013 66 TAONA IZAY… Tifi-danitry ny tafondro, tora-defon’ny Gasy, haitraitran’ny vazaha, no nahamaro olo-maty. Fisamboram-behivavy, famonoana ny bitika. Raha ny ady no hitohy, dia hampalahelo ny madinika! Feom-basy tsy ankijano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ianao-ry-moramangako
ANY IANAO RY MORAMANGAKO...!
RRAG
ANY IANAO RY MORAMANGAKO...! Sanatria tsy hoe hadino, ka tsy tsaroako ianao ry taniko. N'aiza n'aiza misy ahy, dia mbola ianao no akaniko? Ilavitra ahy ianao anio, sanatriavo ny tsy hihaona. Fa ho any aho, raha sendra manana fotoana! Ry Moramangam-pahazazako, any ianao, izaho aty. Na izany kosa aza, dia mbola ao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/noterena-ianao
NOTERENA IANAO.
RRAG
NOTERENA IANAO. Ekeny hoe: “Noterena ianao iny, saingy nanadino azy tanteraka, tsy nahalala ny fisiany, namela azy hilanja vesatra”. Ekeny hoe: “Niavona izy, raha nandà ilay fitiavana! Meloka izy, niziriziry tam-pandàvana, ny fangatahanao fahiny, ny mba hifamatotra aminy! Ankehitriny izy mpivahiny, fa tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kilalaonny-fo
KILALAON'NY FO...!
RRAG
Ity tononkalo ity dia atolotro manokana ho an'ireo rehetra manam-po mitepo, ka mahatsapa fitiavana na izany efa naboraka na izany mbola voatahiry ao am-pony ka zary fitia tsiambararoa! KILALAON'NY FO...! Raha resaka fitia, no ‘ndeha hasian-teny, dia fo hafahafa, izany tsy hitia. Ny sasany aza moa, vao masony mijery...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-hiranao
NY HIRANAO…
RRAG
NY HIRANAO… Raha izao tontolo izao, no hoe hangina sy hisaona, dia irony hiranao, no hiverina hampihaona. Hamelombelona indray, ny hasambarankelintsika, Hanazavazava koa, ny haizin’ny akanintsika. Raha ny tany no hangina, ho maizina daholo, dia ny hiranao ry tiana, dia efa afaka hisolo. Hisolo ilay tsy eto, hano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/veloma-bonne-nuit
VELOMA “BONNE NUIT”!
RRAG
VELOMA “BONNE NUIT”! Fanonoko isak’alina, an-kafa-tarobia, ilay veloma ho anao, veloma “bonne nuit!”, raha iny aho sendra manina, mahatsiarotsiaro andrỳ. Mitsiahy ny fahiny, mitsiaro ilay fitia, manembona anao, any ilavitra any, anatin’ny hafatro iny, misy fo tomany. Tsy mety miala am-bavako, ny anaranao, ny ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/topimaso
TOPIMASO…
RRAG
TOPIMASO… Topimaso sendra lasa, nitily azy avy ilavitra, no nanaitra ny fonao, nahatonga anao hijery. Saingy ny azy nisy harika, longilongy toa fanao, sady arahany eson-teny. Topimason’ireo kasa, tara-davitry ny hoavy, no natosakao ny lasa, mba tsy hisy fato-tady, na fery hafa hitamberina, ankoatra ny efa misy. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-orokao
NY OROKAO…
RRAG
NY OROKAO… Vao maraina, maneno akoho, isika mihaona, mifampitaona an-jaridaina, dia toy izany foana. Isan’andro isan’andro, dia misaraka isika, vao miposaka masoandro, sao misy olona mahita. Dia mihaona indray izaho sy ianao, raha vao dify ny masoandro. Eo no ahenoiko, ny hatsaran’ny orokao, miahy matsiro i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleoko-tsy-izy
ALEOKO TSY IZY…
RRAG
ALEOKO TSY IZY… Raha ho tiana aho ka tapany, na ho hatsasatsasany ihany, dia aleoko tsy izy aho, satria tsy tena tia ianao. Raha ho tiana ka ny ampahany, na ho potipotiny ihany, dia aleoko tsy izy aho, fa tsy tia ahy ianao. Raha ny fitafy eny an-koditro, na ny bangobango voloko, no hitiavanao ahy, dia aleok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-tsikiny-iny
INY TSIKINY INY!
RRAG
INY TSIKINY INY! Iny tsikiny iny, tsy midika velively, ‘zay heverin’ny fonao! Ny jeriny, na aza tsy afaka niteny, dia tsy ny eritreritrao! Raha mety, aza terena haneho fitia, ny fahatsorana nasehony. Aza adika akory hoe, te hiara-dia, ny angolangolam-peony! Iny tsikiny iny, tsy nilaza sanatria, izay nihiboka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nahoana-kay
NAHOANA KAY?
RRAG
NAHOANA KAY? Nahoana kay ianao no nandao, tsy mba nampilaza, hatramin’izao? Nefa ny foko, mbola tia anao, ka aiza ry tiako no misy anao? Ny aliko iny, toa ranomaso, mandena ny ondako, toy ny ora-nafafy. Ny maraina aho, toa bongo maso, malahelo anao, ka tady hitapy. Nahoana kay no dia lasa ianao, nefa ny foko,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-tsy-misy-baraingo
TENY TSY MISY BARAINGO…
RRAG
TENY TSY MISY BARAINGO… Ny tiako, ny tiana, ny am-poko tsy irina, satriko koa ho isam-paniriana, anatin’ny fon’ilay olon-tiana. Ny sentoko, ny antso, ny fanahiko mivetso, no reko manako manaitra ny foko, hiverina hisento. Teny ny ahy, tsy misy baraingo, tsy fanontaniana, vetsom-panahy teny mihaingo, rindram-pifal...