url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitiavanny-tia-sy-ny-tiana | FITIAVAN’NY TIA SY NY TIANA… | RRAG | FITIAVAN’NY TIA SY NY TIANA…
Ny fo raha nanadino, dia io ny hoe tsy tia,
na ihany koa, tsy nahay nitia akory.
Fa ny fo tsy mety mino, tsy hoe, tsy manana fitia,
fa manam-po ihany, izay mbola resi-tory.
Mety hisy koa, fo hitia ihany,
saingy mety hiahotra, hilaza ny am-pony.
Dia iny aliny iny, ho rakotra tomany,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitovy-ihany-isika | MITOVY IHANY ISIKA...! | RRAG | MITOVY IHANY ISIKA...!
Ekeko fa hoe mavesatra mihitsy,
ny fatoràna nataon'ny setrasetram-pianana.
Ny kapoka mafy zary tsy ankitsitsy,
ka nahatonga 'zao andron'ny fanaintainana!
Tsy misy tsy diso raha miaina eto an-tany,
fatoràna iraisana io amin'ny mahaolombelona.
Aiza moa no hisy fiainana tsy hisy tomany?
Nefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nitia-mangina | NITIA MANGINA… | RRAG | NITIA MANGINA…
Niezaka aho nitana ireny, tao am-poko diso tia.
Niezaka aho ny tsy niteny, nanambara ny fitia.
Niezaka aho ny tsy nandingana, ny vavahadin’ny fonao.
Tsy mety lany ho tamingana, ny fitia anatiko ao.
Tsy mety levona na dia, notinereko novonoina.
Tsy mety foana ilay fitia, izay iriko hosoloina.
Tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-ho-alahelo | TSY HO ALAHELO | NY HERIMAR | TSY HO ALAHELO
Nitraka nangina tanaty alahelo
nalatsakao tamin'ny teny maranitra;
Zakaiko samirery tsy hiantsoako avelo,
Avelako hitatao ery ambony lanitra.
Izay alahelo tsy nahiko akory,
Ho zary tadio ka handrivorivo;
Izay ranomaso nanesy lohantory,
Handefi-jatolahy, hamefik'arivo.
Izay ranomaso namonto ny la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-foko-raha | INY FOKO RAHA… | RRAG | INY FOKO RAHA…
Iny foko raha hitroatra, hanambara ny tadidiny,
hilaza izany am-po miloaka, izay anjara nofinidiny,
dia tsy maintsy hisento ihany, hitsiaro ny fitiavako,
hahatadidy ny tomany, tao am-pon’ilay finiavako!
Iny foko raha hitady, hafaliana ilavidavitra,
tsy hahalala tany fady, raha hitady an’ilay avotra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-afaka | TSY AFAKA... | RRAG | TSY AFAKA...
Vono olona, latsak’aina,
io no sanda, sandam-pahafahana,
vidin-tolona, tsy noneram-bola,
fa natakalo, natakalo fihavanana!
Vono olona, latsak’aina,
tsy nanova inona, fa vao mainka nanageja,
nanamafy fototr’ireo fefy, sy namato-maty ny tady,
handripahana ny Gasy, sy ireo nitarik’ady!
Vono olona, la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ambivitra | AMBIVITRA… | RRAG | AMBIVITRA…
Noho ianao nandao, namela azy hiady irery,
dia solafaka izy anio, tsy nisy fo nijery,
tsy nisy hazavana, nitari-dalana hiampita.
Ambivitra izy izao, tsy hanantena ny ho tafita!
Eo ambivitra izy, amoron-tevam-paharendrehana.
Ambivitra ny ainy, ‘zay mety tata-pandevenana,
solom-pasan’ny fitiavany, hande... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sora-tananilay-malalanao | SORA-TANAN’ILAY MALALANAO… | RRAG | SORA-TANAN’ILAY MALALANAO…
Diam-penina nasosany, hilaza ny ao am-pony,
hoe: “Mbola tiany ianao”.
Mampatsiahy irony lasa, isan’ireo tsaroany,
ny hamamin’irony, teo anilanao!
Ny safosafonao eh! Voatanisany avokoa.
Ny orokorokao, niodidina ny molony.
Indreny, ny fidoboky ny fo roa,
tsaroany ihany koa, fa isan’ny n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/neny-anio | NENY Ô! ANIO… | RRAG | NENY Ô! ANIO…
Neny anio tsaroako, irony anatrao, nodiako tsy nohenoina.
Ankehitriny ireny, nitondra ity fahazarana, nitondra hakamoana,
nitondra fahalemena, nilanjana fanenenana.
Noheverina ho lasa, tsara fandevenana,
saingy indrisy anefa, fa ratsiratsy tototra,
ka tsy afaka nitsiry, na dia tsara fototra!
Neny ô... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nosy | NOSY... | RRAG | NOSY...
Ny taniko nosy voadidina onja,
ny foko mitosy fa tsy mba manonja!
Mientana faly sy feno haravoana,
misento ihany raha sendra voadona!
Ny taniko nosy voadidina onja,
ny lasa rehetra voahidy am-ponja!
Ny fampanantenana tsy nisy tanteraka,
fa fery enti-maty sy enta-mavesatra!
Ny taniko nosy fa manan-karen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-mba-jamba | TSY MBA JAMBA... | RRAG | TSY MBA JAMBA...
Ny laza, ny voninahitra, tsy ahoako akory ireny,
fa mampandatsa tena, tsy hiraharaha ny hafa!
Manamaloka tsy hihiratra, ny masoandro mba hijery,
Ka mitondra faharesena, satria namoha ny efa lasa!
Ny dera, ny fahefana, toa zavatra mandalo,
tsy afaka hamikirana, raha sendra saro-dalana.
Mampihombo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eto-anatrehan | ETO ANATREHAN’…! | RRAG | ETO ANATREHAN’…!
Eto anatrehan’ny lanitra,
na ory ianao na manana,
eny na mahantra.
No andraisako ity tanana,
hampiray antsika,
anaty tokantrano,
ilavitra hatsiaka,
ilavitra angano!
Eto anatrehan’ny tany,
no anaovako ity voady,
hamoron-tokantrano mamy,
isika roa mivady.
Ka ny vovoka no fototra,
dia izy no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/loza-marina | LOZA MARINA…! | RRAG | LOZA MARINA…!
Tsy naharitra aho ny hikitika, sy hisafosafo anao.
Saingy indro fa nipitika, ‘lay solonify vao,
fanafenako ny henatra, raha hanoroka anao,
teo am-panolorako ny peratra, ho eny an-tananao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vetsovetso | VETSOVETSO…! | RRAG | VETSOVETSO…!
Ny onjam-piainanao ry tany, dia onjam-piainako ihany koa.
Hozakaiko am-pahendrena, mba tsy ho lasa ràtram-po!
Ny ady efa natombokao, tsy hofaranako mihitsy.
Fa dia iarahako aminao, eny na dia ora vitsy!
Tsy afaka ny hangina aho, raha tsy anao ‘lay fandresena.
‘Lay nolofosanao mafy, ho rehareham-piren... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-taniko | NY TANIKO… | RRAG | NY TANIKO…
Ala maitso mavana,
maneho fanantenana,
no manaingo sy mandravaka,
mandoko ny tanàna!
Voronkely maro an’isa,
no indrao mikalo am-bodilanitra,
sady faly mitanisa,
ny hakantonao avy eny an-danitra!
Rano avy eny an-tendrombohitra,
misavasava lala-maro,
rehefa eny ambany vohitra,
dia ‘ndreo miredo-mif... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voninkazo | VONINKAZO... | RRAG | VONINKAZO...
Voninkazo hafa fiaina,
tsy malazon’ny talaho.
Voninkazo toa misaina,
no heverako anao!
Nanaitra ahy avy hatrany,
ny rivo-manitra nentinao.
Nanindrona ahy ihany koa,
ny tsilon-drantsam-batanao!
Voninkazo tsara voly,
mitondraka isa-takariva.
‘Lay fela-manitrao olioly,
lalovan-drivotra madiva!
Vo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sanatria | SANATRIA… | RRAG | SANATRIA…
Fihomezako indraindray, ny mahatsapa anao ilavitra,
ny akanin’ny fitiavako, raha sendra andro alina iny.
Saingy indray andro izay, ny fandrinako nihovitra,
dia nanosika ahy ny nofiko, hampody ny fahiny.
Dia ‘ndreo fa mitamberina, toy ny tranga vao miandoha,
efa fanta-pahataperana, fa tsy maintsy handràt... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hitomany-intsony-izy | TSY HITOMANY INTSONY IZY. | RRAG | TSY HITOMANY INTSONY IZY.
Maro loatra ny ady vitany,
ny fery nolanjainy irery.
Nozakainy koa ny ditrany,
zary ràtra nitsianjery.
Ka tsy hitomany intsony izy,
f’efa maro ny nitolomany.
Tsy hitomany intsony izy,
fa hitàna ny fahanginany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pejy-nosoratany | PEJY NOSORATANY! | RRAG | PEJY NOSORATANY!
Ilay ianao nandalo, tinazany niserana,
reny toa nikalo, nihira fanenenana,
no nanaitra azy, nanoratr’ity pejy,
‘zay narafi-dahatra, sy nosoritin-tendry!
Noho ianao nisedra, olan’ny fitiavana,
no nanoratany ‘lay boky, misy anaranao.
Pejy maromaro, mitantara fahasambarana,
nolalovanao, isan’ny m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-no-fialofany | IANAO NO FIALOFANY… | RRAG | IANAO NO FIALOFANY…
Ianao no fialofany, fitafian’ny fitiavany,
isan’irony rovany, nokajiany fa fananany.
Ianao ilay firavaka, diamondra sarobidy,
ianao no nampiavaka, ny anjara nofinidy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miverena | MIVERENA… | RRAG | MIVERENA…
Miverena ry olon-tiany,
miverena re ianao!
Fa ianao ‘lay nofidiany,
ho tokantranony vaovao!
Hanorenany ny dinany,
hanoritany ny tendry.
Hanefainy izay tsy vitany,
hanatsarany ny kinendry! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-lanitra-ao | RY LANITRA AO… | RRAG | RY LANITRA AO…
Ry lanitra ao ambony, ity indray ny vokatro,
eo mba handrotraho, ny tso-dranonao.
Inty izy, harafitro amin’ny soratro,
mba ho fankasitrahako, ny talenta avy aminao.
Ry lanitra ao ambony, indro ny amboara,
‘zay amboaran-tononkalo, mizara fifaliana.
Mitanisa ireo, karazana tantara,
misy fijaliana, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/injay | INJAY... | RRAG | INJAY...
Injay fa toa misento, latsa-dranomaso,
ity kambotikely tsy manan-ko hantenaina!
Tsisy mba nijery, na mba nitopimaso,
fa mainka nompaina, sy nolatsalatsaina.
Injay fa reko etoana, ny gogogogonao,
miantso vonjy, mitaraina, dia ‘njany mitalaho.
Noho ‘reo ràtram-po tsy zaka, sy fery izay tsy tanty,
naleona... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hinianao | TSY HINIANAO! | RRAG | TSY HINIANAO!
Nojinerinao ny masony, nangovitra izy avy eo,
voafatotry ny ankasony, ‘lay fony vao naneho,
hoe: ”Babonao tanteraka”, ka mila anao, mila anao!
Satria tiany ianao, eny! Tena tiany ianao.
Vahotra ny lelany, tsy nahaloa-peo.
nihovitra ny vavany, tsy nahavita ny naneho,
ny atim-pony ao, tahiriny efa e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-hotanisaiko | RAHA HOTANISAIKO… | RRAG | RAHA HOTANISAIKO…
Raha hotanisaiko, ny alin’ny alahady,
nilatsahan-drà, tao Moramanga,
dia ranomason’aina, ranomason-drà,
no hany azo alatsaka, raha tiana hisy lanja.
Ny sorona nataon’ireo mahery fo,
namoizany aina, tao anaty ady.
Tao anaty tolona, tsy nahitany soa,
fa nanariany aina, ho an’ny tombontsoa,
an’i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kiry | KIRY | Fredy Jaofera | KIRY
Tsy tody ny tanjona
raha tsy nisy ny kiry
niamboho ny anjona
sy nanery azy hitsiry.
Tsy velona ny ezaka
raha tsy nisy ny kiry,
na dia efa tofezaka
tsy mba hay impiry.
Tsy nipoitra ny soa
raha tsy nisy ny kiry
tsy nanam-paharoa,
sady izay makadiry.
Tsy nivazo ny tany
raha tsy nisy ny kiry
notohizina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-tefy-tanimanga | FITIA TEFY TANIMANGA...! | RRAG | FITIA TEFY TANIMANGA...!
Tinapaka sahady, ilay tady nifamatorana.
Drodroky ny ady, hono ilay fatoràna,
fatorà-nampiray, nitia sy ny tiana.
Ilay hoe mandrakizay, toa rava, nahavariana!
Toa kitoatoa ny rafitra fitia,
tsy laviko, tia ianao satria,
sahy niady mafy, namerin'ilay tiana,
saingy ny rafy, no nahazo ilay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-sendra | RAHA SENDRA...! | RRAG | Ho anao izay nentim-panenenana nandao ny olon-tiany no nanoratako ity! Tsarovy hatrany fa tsy misy mihoatra ny fitiavana izany! Sambatra izay mahay mitia! Mahaiza mifankatia!
RAHA SENDRA...!
Raha sendra ianao ka tojo,
ady mavaivay,
toy ny voafato-drojo,
an'afo mahamay!
Dia tsarovy izy,
ilay nitia tsy niato,
‘za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/gaigy-be | Gaigy be | raozigasy | Gaigy be
Ngomangoma maraindraina izany foko asa lahy
Mangorangorana tsihaitsihay ilay vanin-taolan-dehilahy
Ngolingoly tsy mazava ny vatana sy ny fanahy
Ngalingaly sadasada izany lokon’ny tsiahy
Mangidingidy tsy hay zohiana izay tsirontsirom-bava
Gemagema ginagina, ny endrikendriky ny tava
Migorodandrodana haf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-fiainana-eto-an-tany | NY FIAINANA ETO AN-TANY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ny fiainana eto an-tany,
iaraha-mahita, mahalala;
ny ambony lasa ambany,
mifankatia, mifankahala.
Ny fiainana eto an-tany,
fanantenana, hakiviana;
mahafaly, mampitomany,
hehy, ranomaso mikoriana.
Ny fiainana eto an-tany,
mahatezitra, mampitony;
mila fandinihina hatrany,
ny ambany, lasa ambony.
Ny fiainana e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tabataba | TABATABA…! | RRAG | TABATABA…!
Miantsoantso ny vahoaka, tabataba izany.
Tsy matahotra ho faty, fa dia vonona ny hiady.
Miroso foana! Miroso ihany! Miroso hatrany!
Tsy mifarana! Tsy miato! Tsy mijanona ihany!
Ady! Ady! Ady hoy ianao o!
Ady tsy amin’ny sandry, fa amin’ny fonao.
Rà mandriaka sy faty mitsirara,
voatifitra tafondro, vo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ianao-iny...-any-ianao-a | IANAO INY...
Any ianao a | NY HERIMAR | IANAO INY...
Any ianao any
tantanany sy fihininy,
Lavitra tomany
Isan'andro sakambininy.
Ny momba anao tsy haiko
fa lasa tiako teny,
Dia ketraka ny saiko
fa izany tsy nekeny.
Efa an'olon-kafa
indrisy ny fitiavany;
Saingy tsy voafafa
na mby ny fandavany.
Izy hono tonga aloha
ka voafandriny ilay toerana;
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tanindrazako | NY TANINDRAZAKO... | RRAG | NY TANINDRAZAKO...
Ny tanindrazako o? Tany sarobidy,
tany tsy voavidy, eny tsy amidy!
Lova avy amin’ny razako, sisa mba fananako,
tsy ahy samirery, fa ahy sy ny taranako! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ferapara-niova-loko...-andiany-faharoa | FERAPARA NIOVA LOKO...! | RRAG | FERAPARA NIOVA LOKO...! (ANDIANY FAHAROA)
Rako-javona ny lanitra, dify tampoka ny taratra.
Mialokaloka ny fery, ka zary an-trano ny oram-baratra!
Ora vitsy no niandrasana, dia tanteraka ny voady.
An'alitara no kinendry, dia fahafatesana no ady!
Nilavo lefona ny tiana, toa nandao fitia mamy.
Zary endri-pahoriana, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hatsaran-tarehy | HATSARAN-TAREHY | Fredy Jaofera | HATSARAN-TAREHY
Ny hatsaran-tarehy
dia toy ny renirano
misosa sy mandalo,
zava-tsy ho voafehy
rehefa, hoe, tazano
fa miova mampimalo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/01-novambra-2019 | 01 Novambra 2019 | raozigasy | Fotoana hifamonjen'ny maty sy ny velona
Hifamelomana tantara, hifameloman-tsiahy
Tsy afaka aho ry dada, hamangy anao am-pasana
K'anio aho aza andrasana
Izany tsy midika hoe adinoko ny lasana
Ka ny fahiny ndeha hovoasana
Fa mbola ao an-tsaiko sy ao am-poko ianao
Eny hatramin'izao
Tsy miato aho mahatsiaro, tsy ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dia-izay-tokoa-ve | DIA IZAY TOKOA VE...? | RRAG | Ho anao ilay mora miovaova fo no nanoratako ity! Mitandrema ihany fa iray no tena tia!
DIA IZAY TOKOA VE...?
Zendana aho nahare, fa hay ianao 'lay tiako,
sarisariny ihany, fa manan-tiana hafa.
Nivarahontsana aho, hontsa ery ny foko,
raha toa ka ny anarako, no efa toa voafafa.
Dia sento sisa ny ahy, no hampitoniak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/saika | SAIKA | Fredy Jaofera | SAIKA
Saika hosoratako
ny ainga niserana
fa zary nahatako
tsy haka toerana.
Saika hotohizina
ny tsapa mangina,
mbola hovoizina
saingy tsy tiana.
Saika hovetsoina
ny mamy taloha
mora novonoina
rehefa nahavoa.
Saika hiverenana
ny vazon'ny lasa
fa nanenenana
ka tsy fikasa ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manoratra | MANORATRA | Fredy Jaofera | MANORATRA
Manoratra aho satria
dia fomba itenenana
sy anginana eto koa,
mahaliana...Matokia !
Tsy mba anenenana
fa mainka mahasoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-mizaka | MILA MIZAKA | Fredy Jaofera | MILA MIZAKA
Mila mizaka
ny tena fitiavana
vao hiorim-paka
ny tsy fandavana.
Mila mizaka
'tony faharetana
vao hahazo laka
sy tsy hangetana.
Mila mizaka
ny tanjona maro
vao tsy ho vaka
fa mainka hiaro.
Mila mizaka
ny ezaka etoana
vao tena hipaka
'reo haravoana ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ora-farany | ORA FARANY…! | RRAG | ORA FARANY…!
Hontsa ianao tazaniko, latsaka tomany,
oriory fo, mangina tsy miteny.
Nindaosiko ny akany, nilaozako ny tany,
ny sisa tao an-doha dia, ny hakanton’ny fijery.
Injay! Injay mipaika ny ora,
toa reko miahy maivana, miala moramora.
Mandositra ny vatako, ny ainy amam-panahy,
raha ny eritreritrao, moa ve ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-niandohako-no-iafarako | NY NIANDOHAKO NO IAFARAKO... | RRAG | NY NIANDOHAKO NO IAFARAKO...
Neny ô! Nofiko ve ny fiaina-nolalovako,
toa sary fotsiny, no mitamberina an-tsaiko?
Miendrika horonan-tsary, ny tantara fahatsiarovako,
‘zay misitery amiko, ny niavian'ny aiko!
Tsy ary aho, raha tsy ianao sy Dada,
nampiombom-pitia, hahaolona ahy.
Mbola ianareo, no nahatonga ahy ho za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/latsalatsa | LATSALATSA...! | RRAG | LATSALATSA...!
Tsy mba noheverinao ve, fa ràtra ho azy ireny?
Sa nararaotinao, satria hoe izy tsy niteny?
Dia nitabataba ianao, nahita ny fahanginany.
Nolatsainao izy, fa hoe tsy efany ireo vinany!
Tsy tafita izy, tsy afa-panadinana,
dia hoy ianao: “Izay atao rehetra, tsy nahita-mangirana,
isan-taona izao, dia m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-ranomasony | NY RANOMASONY... | RRAG | NY RANOMASONY...
Tsy ianao no niaina, nizaka irony nozakainy.
Tsy ianao no nilanja, ny sedra efa nodikainy.
Tsy ianao ihany koa, no namafa ny tomaniny.
Dia sahinao ve ny hilaza, fa ianao no tena maminy?
Ny gogogogon-dranomasony, toa tsy tanan-dRamosoara.
Ny tepotepom-po manginany, tsy nohenoinao tsara.
Nefa any ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misento-indray-ilay-fo | MISENTO INDRAY ILAY FO...! | RRAG | MISENTO INDRAY ILAY FO...!
Nahoana moa ny vintana, no lazaina miangatra,
kanefa koa ny kintana, mifidy izay tinaratra,
manavak'izay tiany, omena hazavana?
Iza no omena tsiny, raha toy izay no anjara?
Fo akory izany, tsy hisento an'alahelo,
raha sendra izay tomany, mbola mihelohelo,
toy ny ferin-dasa, tsy maina t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsakotam-pary | TSAKOTAM-PARY...! | RRAG | TSAKOTAM-PARY...!
Niserana nandalo, toy ny rivotra nifofo,
tsy hita atao ahoana, sendra fitia miofo,
fitia lany mamy, maina ka nihintsana.
Mbola tsy lasa lavitra, dia efa injay voafingana!
Nazeran-tsotasota, nalavon'ny mpiankaso,
noràtrain'ny tiana, ka sendra izay natsatso.
Novadian-toky, nesoina fa hoe bado.
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kendanny-rivotra | KENDAN'NY RIVOTRA...! | RRAG | KENDAN'NY RIVOTRA...!
Fitia efa hita ho ratsy fiafara, tinerena hitsiry handràtrana ny anaty.
Fo 'zay tinazana tsy mitepo tsara, no hampakàna alahelo fa maika ho faty.
Tsy mijery ilavitra izay mba ombana, tsy mikendry ny hahatsara izay hiafarana.
Variandriam-poana anaty hadalana, milomano an-kianjan-dRafilibana!
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/mifona-mifona-aho-ankehi | MIFONAMifona aho ankehi | Hajanirina Mahavaly | MIFONA
Mifona aho ankehitrio
Raha toa nitia anao
Fa io fitiavana io
No niraikitra ao anatiko ao
Tsapako toa mampijaly
Ny foko sy ny saiko
Ka nanjary nankarary
Mila haningotra ny aiko
Tsapako eto mantsy
Fa misy ny hadisoako
Koa aza mba miantsy
Na mampiditra toloko
Anio aho mba miangavy
Ny hamerenanao indra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hiverina-hiteny-indray-aho | HIVERINA HITENY INDRAY AHO...! | RRAG | HIVERINA HITENY INDRAY AHO...!
Hontsa ny foko, ka aleo aho hiteny,
sobika ve moa, dia ho sahala amin'ireny?
Ireny tokoa mantsy toa, firava-bolamena,
nefa iza no hahita, izay tsara amin'ny tena?
Firy tokoa ary, ireo sahy naneso?
Nisy mihitsy aza, sahy nivetso,
nanaratsy anao, eny! Nanasoketa.
Amin'izay hono iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voamason-jaza | VOAMASON-JAZA...! | RRAG | VOAMASON-JAZA...!
Ataoko ahoana no hijery, ireto zaza mitoloko,
toa misento manirery, hontsa loatra izany foko?
Indre, ireto zaza mitomany, mahonena ery 'ty izy,
tsy mba misy manontany, ny sasany, vao mijery dia efa kivy!
Ataoko ahoana no tsy hanolotra, na dia tapa-mofo kely,
mba ho harapak'ity zaza, mangataka ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/roaka | ROAKA | Fredy Jaofera | ROAKA
Rehefa nahazo roaka
ny fo amam-panahy
dia indro fa nitsoaka
nikaroka hafa hiahy.
Rehefa nahazo roaka
ny saina niady mafy
dia indro fa nivoaka
ny hambo ka natafy.
Rehefa nahazo roaka
ny tena singan-drery
dia indro fa nipoaka
ny sento fa voatery.
Rehefa nahazo roaka
ny andro nampahory
dia indro fa na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-angamba-any | IANAO ANGAMBA ANY… | RRAG | IANAO ANGAMBA ANY…
Najanoko ny sioka, fiantsoantsoana anao,
voasakana ny antsika, eny hatramin’izao.
Foiny ianao vao tazako, nefa no niboika,
toa tsy mety ravako, ny fitiavantsika.
Very ity ny fo, manantena fahafahana,
voahitsaka ny zo, ny mba hana-namana.
Fa voatery ianao, nalefa tany ampita,
hanalavitra ahy, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-mananandro | RAHA MBOLA MANAN’ANDRO... | RRAG | RAHA MBOLA MANAN’ANDRO...
Raha mbola manan'andro, ahafahana manova,
irony zava-bita, dia araraoty izany.
Tsy ny endrika ivelany, no mahakanto rova,
fa ny fototra, miary ny endri-tany!
Raha eo ny fotoana, ka tsy mandao anao,
araraoty koa, ny mandrafi-kasa.
Ny mamela sy mifona, raha toa ka vitanao,
dia hiverina h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafatra-miafina | HAFATRA MIAFINA… | RRAG | HAFATRA MIAFINA…
Vao nahita ireo teny aho, ka natombokao ‘lay “T”,
dia nofongariko hifoha, ny hirahirako fahiny.
Toa tsinapako ao am-poko, fa izy tsy any intsony hoe…!
Tsy tiako intsony ianao, tsy tiako intsony fa aza tsiny.
Notohizinao ‘lay hafatra, toa maneso ahy miankolaka,
ka ninoninona hiseho, izaho tsy hive... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-penina-tsy-hanoratra | RAHA PENINA TSY HANORATRA…! | RRAG | RAHA PENINA TSY HANORATRA…!
Raha penina tsy hanoratra, tsisy ilaivako azy,
tsy aleoko saribao, no hindramiko hanoratana.
Hanoloako taratasy, ny tany andrefan-trano!
Fa raha penina tsy hanoratra, tsisy ilaivako azy,
ny taratasy indray aza, no hahiako ho tatatataka.
Ka raha voarainao dia, hampiditra angano!
Raha p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nindaosinny-fahafatesana | NINDAOSIN'NY FAHAFATESANA...! | RRAG | NINDAOSIN'NY FAHAFATESANA...!
Omaly hariva no nikotroka, nitselatselatra tsy niato,
zary lasa nody vovoka, tsy nitepo toy ny maty,
ny atim-poko ilay nitia, izay nilaozanao tsy niera.
Ka indro maty ilay fitia, sendra varatra nianjera!
Fery maimbo efa nikiky, no navelanao tam-poko,
namaizininao ‘lay tsiky, ka nivad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/torimaso | TORIMASO…! | RRAG | TORIMASO…!
Mahantra izahay, satria hoe tsy manana,
tsy afaka mianjaika, toy ny anareo.
Mahantra izahay, fa ny kely an-tanana,
hany anananay, nobodoan’ireo.
Mahantra izahay, dia tsy afaka mihinana,
hanim-pitoloha, toy ny anareo.
Ny anay tsindrohina, hatramin’ny tsy fihinana,
sisa fanome, ny alikan’izy ireo.
Mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tsy-mivalo | TSY MIVALO | AbouNusrayni | TSY MIVALO
Ny fitafinay tsotsotra;
Ny paoketra rovidrovitra;
F’izahay mitanjozotra;
Tena sahy tsy mangovitra.
Na dia tsy manana izahay;
Dia mijoro tsy mba menatra;
Ianareo mpiseho milay;
No sadaikatra sy hendratra.
Rah’ mbola salama tsara;
Sy mahita atao karama;
Tsy hanaiky ny hitsirara;
Tsy maintsy ho tsar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/minitra-iray | MINITRA IRAY...! | RRAG | MINITRA IRAY...!
Maso mba nitopy, nanilana fijery,
kinanjo ianao nandalo, dia nitsiky kely,
nanopitopimaso, nitazana ahy variana.
Hoy ny eritreritro hoe: “Ay! Iny ilay tiana!”
Minitra iray tsaroako, saingy toa niserana,
nitsiry tao an-tsaiko, tsy nanam-pahataperana.
Fa satriko hahita, 'lay tsikinao nambabo,
met... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/namakivaky-efitra | NAMAKIVAKY EFITRA | Fredy Jaofera | MAMAKIVAKY EFITRA
Namakivaky efitra
ny lala-nodiavina
vao nahita hevitra
tsara sy notoavina.
Namakivaky efitra
ny asam-pikirizana
vao tsy tia nitefitra
ny ela nikoizana.
Namakivaky efitra
ny rofy nankarary
vao bebe fanefitra
ny jaly izay fanary.
Namakivaky efitra
ny zoron'ny fanahy
vao mora nilefitra
sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-aleonao-izaho | TSY ALEONAO IZAHO...! | RRAG | TSY ALEONAO IZAHO...!
Tsy laviko fa hoe, mpinamana isika,
ilay tsy nifankafoy, eny hatramin'ny ela.
Niaraka nianatra, fa samy te ho tafita.
Saingy ianao nisidina, izaho ity tavela!
Na tsy nifankahita aza, dia tsy nifanadino,
niantso ahy ianao, nilaza ireo vaovao.
Hanambady hono, izaho toa tsy mino,
raha hanamba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dia-nentinao | DIA NENTINAO...! | RRAG | Hanonofy kely aloha isika e! Sa ianao tsy mazoto?
DIA NENTINAO...!
Moa ve izaho ry lasa, no tsy nahay nitana anao,
ka dia navelako handao, ireo tsara nentinao?
I Fahazazana volamena, nandao ahy toa tsy niera.
Ry fahazazana ilay tsy foiko, eo re mba miverena!
Fa mangina irery aho, manimanina ireo lalao,
hangoting... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-izaho-no-filoha | RAHA IZAHO NO FILOHA… | RRAG | RAHA IZAHO NO FILOHA…
Hoy ireto mamolava, mba tafaresaka,
efa fantatrao, fa balahoasy no betsaka.
Nefa toa marina, ity raha lazainy,
mba mandinika ilavitra, koa kay ny sainy!
Raha izaho no filoha, hoy i Ranitika:
“Dia tsinjoviko manokana, ireo madinika.
Faiziko jiaby, ireo nanjakazaka,
ireo pôlisim-bohitra, toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/noely-fahatsiarovana | NOELY FAHATSIAROVANA... | RRAG | NOELY FAHATSIAROVANA...
Mangetaheta aho, manina iry lasa.
Teny ry tiako, no nahavitana kasa,
hoe hifanambady, ary tsy hifandao.
Ankehitriny anefa, aiza no misy anao?
Tsaroako isika roa, nijery kilalao,
tao amin'ny vaditranon'ny fiangonanao.
Teny isika roa, no nifampizara.
Ianao ry tiako, no noheveriko ho anjara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ry-zanako | RY ZANAKO | NY HERIMAR | RY ZANAKO
Tsy holalovanao zanako
ny lalan-drainao
tanaty fijaliana;
Saingy adidin'ny tanako
ny manefy anao
anaty fihafiana...
Sarotra ny miaina,
Ny valala tsy azo mora;
Koa aza be taraina,
Mifohaza ry tanora!
Ianao anie anaka
ka andraindraiko fatratra;
Dieny mbola tsy valaka,
Kendreo izay lafatra.
Any an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zava-pady | ZAVA-PADY | Fredy Jaofera | ZAVA-PADY
Ny hiverina indray
amin'ny lala-nandratra
dia zava-pady
fa ny tena efa fay
tamin'ireo loza nihatra
ka nivoady.
Ny hijerijery ihany
amin'ireo olo-nandavo
dia zava-pady
fa maro ny tomany
na ny fotoana tsy ravo
efa nianjady.
Ny hifampiraharaha
amin'ny olo-nandrava
dia zava-pady
fa tsy afaka hamah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ayayah-valo | ***AYAYAH… VALO! | AbouNusrayni | ***AYAYAH… VALO!
1.Rehefa samy te ho lohany - ireo avara-pahalalàna
Ka mitaona mpino maro - mba hanaraka ny azy.
Rehefa ny fitiavan-kely - no manjaka tsy igagàna
Rah ilaozam-pitahiana - ireo mpino, toa voasazy.***
2.Lasa toa nohadinoina - ny tena olan’ny vahoaka;
Ireo zava-manahirana - iandrandrany toro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mafy-ady-sa | MAFY ADY SA...? | RRAG | MAFY ADY SA...?
Miangatra lahy 'ty lanitra ity,
manavakavaka misafidy fihodirana.
Tena tsy namana mihatsaravelatsihy,
mpanavakavaka tsy mila hifandirana.
Ny tena mitrongy vao homana lava,
ny sasany anefa tsy mamboly voky.
Ny an’ny tena dia ny hatsembohan-tava,
kanefa na izany aza tsy mbola mahavoky.
Mangarika ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fitiavana-mangina-raha-v | FITIAVANA MANGINARaha v | Hajanirina Mahavaly | FITIAVANA MANGINA
Raha vao nitopy ny masoko
Dia indro taratro ianao
Nitsefotra aoka izany ny foko
Raha nolalovanao
Nandeha ny andro,nivadika ho volana
Tsy afaka ato an-tsaiko 'zatsy endrikao
Toy ny vao omaly ilay fotoana
Nahitako 'zato hankantonao
Tena tiako ianao ry zazavavy
Saingy vahotra aho ny hanambara
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/ny-anjara | Ny Anjara | ANDRIANAIVO PAUL | Aiza ny anjara izay hoentin'ity fiainana,
Mampitoloko irery tsy misy hitarainana,
Ny hoavy toa maloka manetry ty fanantenana,
Mibahana ny saina tsy misy handrandraina...
Aiza ny anjara toa sento sy alahelo,
No injay vetson'ity foko mamerovero,
Ny lasa manjary ratra ka mitoetra,
Mandrotika ny fo mitady hitroatra.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/rehefa-takariva-mamirifir | NY TAKARIVAKO | R.N Randriii | Rehefa takariva
Mamirifiry ny hatsiaka
Mamisavisa any ho any
Ilay fitiavako mampitomany
Raha teto anilako ianao ry tiako
Dia izy no hany fifaliako Izy no fiainako
Iny ilay miaritra ny tarainako
Ndry....!!!!
Raha alohan ny hatory iny aho
Manina azy izany eritreritro izany
Manontany tena hoe
Mba mahatsiaro ahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maro-ny-tsara | MARO NY TSARA | Fredy Jaofera | MARO NY TSARA
Maro ny tsara
vita hosodoko
fa izy no voara
itoeran'ny foko.
Maro ny tsara
mahasondriana
fa izy no hara
azo itokiana.
Maro ny tsara
tsy tambo isaina
fa izy no anjara
novinavinaina.
Maro ny tsara
mpanaitra fitia
fa izy no ambara
ho ahy ho doria. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nisy-fahagagana | NISY FAHAGAGANA…! | RRAG | NISY FAHAGAGANA…!
Leo ny mitanisa, ny lasa sy ny etsetrany, ny aiko rako-pery.
Leo ny mamisavisa, ny hoavy sy ny fetrany, rakofa-misitery.
Leo ny mitaraina, saingy tsy hohenoina, ny vavako miteny.
Leo ny hirifirin-tsaina, terena hovonoina, ‘ty foko manirery.
Tena leo mitia, kanefa tsy tiana, ny atin’ny fanahiko.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fitia-tsy-anjara | FITIA TSY ANJARA | Hajanirina Mahavaly | FITIA TSY ANJARA
Tsy natao hiara-dia izaho sy ianao
Ka voatery tsy maintsy hifandao
Nosarahan'ny lahatra sy ny anjara
Ka hifarana eto ny tantara
Samy manan-tompo isika ankehitriny
Lefy tamin'izany ilay fitiavana fahiny
Fitiavana niredareda tokoa
Kanefa nitondra ratram-po
Angamba efa izao no Anjara
Safidy ihan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-tsy-misy-tambiny | FITIA TSY MISY TAMBINY... | RRAG | Andao isika aloha hidera ny Tompo fa alahady ny andro e!
FITIA TSY MISY TAMBINY...
Nodiako tsy re, ny tambitambinao.
Nodiako noviliana, ny lalan-janakao.
Fe ankehitriny, masison'ny ota aho.
Dia niverina indray aho, teo akaikinao.
Tompo ô! Tena tsy mendrika aho.
Tsy mendri-pamelana, avy aminao tsy toha.
Tompo ô!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/hafatra-ho-anny-mpankafihyzaitra | HAFATRA HO AN’NY MPANKAFIHY… | AbouNusrayni | HAFATRA HO AN’NY MPANKAFIHY…(zaitra)
1.Ilay fitiavana ny kanto,
Ao an-poko hatry ny ela;
Toa rindram-peo milanto,
Mambabo ahy tsy mamela.
2.Efa ela no niandrasako,
Aing’iray mahery vaika ;
Hampirobo ity lahasako,
Ka hitombo tsy hitaika.
3.Tsy mora fa dia mazana.
Ny mamadika azy ireny;
Ho toy ny voa nofafazan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sentir-lamour | “SENTIR L'AMOUR”... | RRAG | Ialàna tsiny raha nandrafitra tononkalo amin'ny alalan'ny tenim-pirenena roa samihafa aho saingy kosa miezaka ny tsy manimba ny tenindrazana ka mitàna hatrany ny fototra niaingana. Hafa ihany ny tenindrazantsika!
“SENTIR L'AMOUR”...
Fa nahoana no hoe, tsy maintsy hankahala,
kanefa ny fo, mba manana ny heviny?
Ny sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mpamosavy | MPAMOSAVY… | RRAG | MPAMOSAVY…
Miahy mihitatra ny ferin’ny foko,
mahita ny Gasy mitsitokotoko.
Miady, mifamono, mifampidaroka fanoto,
ny mpianakavy, mpiara-belona, mpiray foko!
Manao mpamosavy malemy ny sasany,
ka ny olon-tiany no norarafany.
Fa mamy ny vola sy ny harena,
dia amosaviany ny mpiray firenena.
Maràtra ny foko ka tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fiainana-an-tany-ny-fiai | FIAINANA AN-TANYNy fiai | Hajanirina Mahavaly | FIAINANA AN-TANY
Ny fiainantsika eto an-tany
Dia tena feno fahalovana
Toa tsy nahitana mamy
Fa mangidy foana hatrany
Fiainana tsy ilaozan-tsento
Tsy misaraka amin-dranomaso
Tsy mba misy fitoniana
Hany ka miteraka hakiviana
Tsy mampilamin-tsaina
Fa mila haningotr'aina
Izay ilay fianana eto an-tany
Mampirotsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fitia-ve | NY FITIA VE? | RRAG | NY FITIA VE?
Fa ny fitia ve, ‘lay tsy mahay mitombina,
ka ‘mbetika ery, dia avy eo miantsampy atsy?
Efa hila ho folo, ireo nahazo sombiny,
nisy niahy velona, dia tao ny niahy maty!
Any izao tsy iray, ny nivadi-toky,
namitaka ny tiany, dia namindra lasy.
Tsy vitsy ihany koa, no nandrovi-boky,
nifamatoran-dina, v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/bandy-akama-mitady-bandy-akama-milay | BANDY AKAMA MITADY, BANDY AKAMA MILAY... | AbouNusrayni | BANDY AKAMA MITADY, BANDY AKAMA MILAY...
(entiko teny etoana)
Na tsy dia nianatr'izahay de mba manam-pahiratana.
Tsy miantehitr’ aman'olona na mafimafy ady.
Manatsara izay amidy ny anay no fisandratana;
Atao milay fotsin' n entana de tamy ny tinady.
Ireo kaopy an-tsihoa, ny kaf'tera ambony fatana;
De raikitra n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/tanora-sy-ny-fitiavana-i | TANORA SY NY FITIAVANAI | Hajanirina Mahavaly | TANORA SY NY FITIAVANA
Inona no misy amin'izao fotoana izao
Manal'azy fotsiny fa tsy misy hatao
Aleo manao sipa ho fialam-boly
Toy izay mamaky ny Baiboly
Dia lasa izao, handeha hanao fitiavana
Ny fomban'ny mpivady no natao andrakandrana
Tsy mijanona amin'ny sipa iray fa hatao maromaro
Ny tsy hainy anefa fa mamp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manembona | MANEMBONA | Fredy Jaofera | MANEMBONA
Manembona anao
'reo orako etoana
ra' mba tao ho ao
toa tsarotsaroana.
Manembona anao
ny zava-niarahana
tsy vonon-kandao
fa zary mibahana.
Manembona anao
ny sangy nahafaly
toa niova ho lalao
toy ny vao omaly.
Manembona anao
ny momba antsika
tsaroana mihavao
ao anaty mozika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faingana-ianao | FAINGANA IANAO... | RRAG | FAINGANA IANAO...
Tsinapako hirifiry, mandrotika ny foko,
no mifamahofaho, anatin'ity tenako.
Tinazako mitroatra, nefa tsy ampy hery,
'ty foko efa kivy, sy leo ny mamery.
Faingàna ianao ry taona, aza miandry ela,
satriko ho voadingana, ny lasa izay tavela.
Tsy nentin-taona, maro nifandimby,
indrindra moa fa, ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/resaka-fitia | RESAKA FITIA... | RRAG | RESAKA FITIA...
Vao resaka fitia dia, eo ny resa-po.
Aza hadinoina, fa eo ihany koa,
ny resaka alahelo, sy resa-pifaliana,
itoeram-pahasambarana, sy ny fijaliana.
Ny resaka fitia dia, resa-pifamatorana,
eo amin'olon-droa, na maro tsy voasoratra.
Resa-pahafahana, resa-tsakantsakana,
sarotra takarina, fa toa maro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toro | TORO | Fredy Jaofera | TORO
Isan'andro
dia fiainam-baovao
ho an'ny olona hendry :
masoandro
mpandroaka raorao
sy mpamoha fikendry. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ity-kasiketinao-ity-rahl-ah- | Ity kasiketinao ity RAHL ah ! | AbouNusrayni | Ity kasiketinao ity RAHL ah !
Azafady angeh ry baina, andraso vetivety.
Misy zavatra tsy aritro anaovako ankety;
Ts’isy idirako ilay izy fa ny saiko no tsy mety
Mahit’ anareo betsaka miondan-kasikety.
Na andavanandro io na koa andro fety;
Na ireo ratsy akanjo na ireo mba metimety
Na ireo tsy dia malaza na ireo e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/malagasy | MALAGASY… | RRAG | MALAGASY…
Ny foko Malagasy, ny saiko Malagasy.
Ny ràko, rà Malagasy!
Nefa dia manotasota, ny fomba Malagasy.
Izaho ve izany, mendrika ho Malagasy?
Ny famadihana haratsiako,
ny famangiana, tsy noraharahaiko!
No indray moa efa navela,
satria efa nilaozan’ny ela.
Ny fihavanana hoseko,
ny lovan-dRazana potehiko.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-diaaza | NA DIA…AZA…! | RRAG | NA DIA…AZA…!
Na dia naditra aza aho,
tsy nilaozanao,
tsy navelanao irery.
Fa ianao mbola nijery!
Na dia solafaka aza aho,
toa nareninao,
notananao ny tanako.
Ka ianao no tena namako!
Na dia nianjera aza aho,
teo ianao,
nihazona ny tenako.
Ianao ry Neny no fonenako!
Ka hiverina aho anio,
hanalavitra tadio,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-hika-farani-neny | ‘TY HIAKA FARAN’I NENY…! | RRAG | ‘TY HIAKA FARAN’I NENY…!
Ry fasana akany, tsy mahandry izay safidy,
nindaosinao, nalainao, ‘lay Reny miadidy,
miezaka mamita, ny adidiny eto an-tany.
Nentinao, nosintoninao, nindaosinao ho any!
Ry fasana akany, fonenan’ny maty,
norohitinao i Neny, noràtrainao ny anaty.
ka aza omena tsiny, ny foko raha tsy hahata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-toko | HO TOKO… | RRAG | HO TOKO…
Nandrafitra ianao, andinin-ditera,
ho fehezanteny, ambaràm-pitia!
Ny tonon’ireny tsy nentina nidera,
‘reo zavatra efanao, sy vitanao tety.
Fa narindranao, ho famafa alahelo,
ho an’irony trotraka, reraky ny ady.
Kanefa ny lasany, dia mbola io mihelo,
toa tsy mihetsika, toy ny voafato-tady.
Namafa ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sary | SARY… | RRAG | SARY…
Sisasisan-tsary, no navela namantarako,
izay Reniko izay.
Sary efa tontatonta, no sady tsy miloko,
no misy maimay!
Raha banjiniko akaiky, dia toa tanoranora,
ny endri-mitoetra, amin’izay sary izay.
Saingy tsy mba nanan’ora,
fa avy dia any ankoatra, no akanin-dReninay!
Sary no hany fizaràko, ny olam-piain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foko | NY FOKO… | RRAG | NY FOKO…
Ny masoko jamba, fa ny foko mahita,
misento, ka faly mahatazana anao!
Ny kilema ananako, tsisy mpahita,
ka ny foko mitepo, vao akaikinao!
Ny masoko no jamba, fa tsy mba ny foko.
Ianao ‘lay tiako, no zary tompoiko!
Ekeko hoe mainty, ny lokom-pitiavako,
saingy izay ataonao, dia hihafiako rahavako!
Ny ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-sarisary | ILAY SARISARY…! | RRAG | ILAY SARISARY…!
Ay tokoa moa izany ny fitia toy ny anana!
Mora hafindra dia mora hananana.
Mora malazo dia mora mamony.
Ny ràtran’ny sasany aza toa mora mitony.
Ny fitia hoy ianao toy ny ranomandry.
Indraindray tafafoha dia indraindray tafandry.
Imbetika koa dia hita mitsonika.
Samy hafa ny ataon’ny fo sy lazai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ry-zalahy-sy-ny-sasany | Ry zalahy sy ny sasany | raozigasy | Ry zalahy sy ny sasany
Ry zalahy raha vao mahazo seza ambonimbony
Dia hoe inona ny baoritra ananan’itony
Nefa avy eo dia maika, mamangy tsy miera
Efa tafa ialahy izao, fa « ahoana ny sera »
Ry zalahy raha avy an-dafy takiana voan-dalana
Na hoe mametraha kely hanamboarana ny lalana
Indraindray aza ny akanjo, an-k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rivo-piovana | RIVO-PIOVANA | Fredy Jaofera | RIVO-PIOVANA
Rivo-piovana
no misoko ery
ka nahalalana
ny ora tena fy.
Rivo-piovana
lavi-pijaliana
tsy hay ialana
rehefa nirina.
Rivo-piovana
feno be safidy
misy hafanana
tena sarobidy.
Rivo-piovana
ela vao nisafo
misy fanajana
toa mitafotafo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsaroako-tokoa-ireny | TSAROAKO TOKOA IRENY…! | RRAG | TSAROAKO TOKOA IRENY…!
Tsaroako ireny, na dia tsy hampatsiahivina ahy,
ilay ianao niteny, tamin-kalemem-panahy,
fa handray ny fitiavako, hanaiky ny ho firavako,
eny! Tsaroako ireny!
Tsaroako ireny, na modianao tsy tsaroana.
Tamin’ireny ny foko, no nahare voadona,
noho ny hadalana, izay nataonao.
Tsaroako ireny,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-namana | NY NAMANA…! | RRAG | NY NAMANA…!
Ny namana dia tokana, izay tsy manadino,
masoandro iray miposaka, taratra fanilo,
tsy mivadi-toky, izay naloa-bava.
Ny namana tsy iza? Fa ny taratry ny mazava!
Ny namana dia raozy, toy ‘rony an-jaridaina.
Misy tsara paozy, saingy! Zavonin’ny maraina.
Tsy menatra ny hivadika, hivadi-pitokisana,
ny na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/antaranoana | ANTARANOANA | Fredy Jaofera | ANTARANOANA
Antaranoana
ny fitiavako anao,
na ho moana
'zao rehetra izao.
Antaranoana
ny voady nomena,
na ho foana
ny foko nekena.
Antaranoana
ny hiray fanahy,
na ho noana
'reo izay nanahy.
Antaranoana
ny hifampitantana,
na ahoana,
matoa re soratana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fampitaha-sy-fanoharana | FAMPITAHA SY FANOHARANA… | RRAG | Aingam-panahy nasidintsidin’ny zavatra hita teny amin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina iray eto Antananarivo no nivoahan’ity tononkalo ity. Nisy zaza kambana roalahy teraka ny 18 Oktôbra 2019 teo. Marihana fa valo volana tao an-kibo izy ireo. Na izany aza anefa dia salama tsara! Ny anaran’izy ireo dia fantatra saingy... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.