url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitiavanny-tia-sy-ny-tiana
FITIAVAN’NY TIA SY NY TIANA…
RRAG
FITIAVAN’NY TIA SY NY TIANA… Ny fo raha nanadino, dia io ny hoe tsy tia, na ihany koa, tsy nahay nitia akory. Fa ny fo tsy mety mino, tsy hoe, tsy manana fitia, fa manam-po ihany, izay mbola resi-tory. Mety hisy koa, fo hitia ihany, saingy mety hiahotra, hilaza ny am-pony. Dia iny aliny iny, ho rakotra tomany, satria ny tena tiany, mety tsy ho azy intsony. Misy any ho any, mitia fa lavi-tiana, miaritra hatsiaka, mamanalan’ito alina. Miandry hafanana, ka resim-panahiana, dia nidi-kizo, nidi-kizo lalina! Misy koa anefa, tia fa tsy mba tiana, dia misento irery, voafato-paniriana. Mitsiriritra fotsiny, ny anjara tsy an’ny tena, ary mitazan-davitra, ny fony fa honena. Misy izay tsy hadino, tiana fa tsy tia, mampifilafila, manilika fitia. Mandà fitiavan’ny hafa, maneso manaraby, mandatsalatsa mihitsy, manompa anabavy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitovy-ihany-isika
MITOVY IHANY ISIKA...!
RRAG
MITOVY IHANY ISIKA...! Ekeko fa hoe mavesatra mihitsy, ny fatoràna nataon'ny setrasetram-pianana. Ny kapoka mafy zary tsy ankitsitsy, ka nahatonga 'zao andron'ny fanaintainana! Tsy misy tsy diso raha miaina eto an-tany, fatoràna iraisana io amin'ny mahaolombelona. Aiza moa no hisy fiainana tsy hisy tomany? Nefa afaka miova dia ny mbola fahavelona! Mitovy isika tena sahala, samy voafonjan'ny sedram-piainana. Diso nefa aho raha mody tsy hahalala, fa ny anao no maràtra hatramin'ny fisainana! Mihevitra ho very tsy manana mpiahy! Mihevitra osa tsy misy mpijery! Ka ny hanova famindra toa tsy ho sahy, matahotra ihany ny hiady irery! Izaho sy ianao mitovy ihany anefa, ka moa tsy hifanampy hifanohana aza? Ka ny mahazo anao amiko no miantefa, dia ho haverintsika 'lay fihavanana fahazaza!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nitia-mangina
NITIA MANGINA…
RRAG
NITIA MANGINA… Niezaka aho nitana ireny, tao am-poko diso tia. Niezaka aho ny tsy niteny, nanambara ny fitia. Niezaka aho ny tsy nandingana, ny vavahadin’ny fonao. Tsy mety lany ho tamingana, ny fitia anatiko ao. Tsy mety levona na dia, notinereko novonoina. Tsy mety foana ilay fitia, izay iriko hosoloina. Tsy mety miala ao an-tsaiko, ‘lay tsikinao nambabo ahy. Resinao hatramin’ny aiko, lavonao ny fanahy. Nitia mangina anao, ny foko kely be fihanta. Ka tsy ho tsapanao, tsy ho fantatrao ny dikan’ny antsa, novetsoiko omaly, teo am-bavahadinao, hoe: “Ny foko ity mijaly, tena mila anao”. Nitia mangina anao, tao an’efitry ny foko. Nitia mangina aho, nitia anao ilay tsy foiko. Nitia mangina saingy tsy hita, tsy tinazanao akory. Toy ny rano tsy mba ritra, fa manonja tsy mba tony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-ho-alahelo
TSY HO ALAHELO
NY HERIMAR
TSY HO ALAHELO Nitraka nangina tanaty alahelo nalatsakao tamin'ny teny maranitra; Zakaiko samirery tsy hiantsoako avelo, Avelako hitatao ery ambony lanitra. Izay alahelo tsy nahiko akory, Ho zary tadio ka handrivorivo; Izay ranomaso nanesy lohantory, Handefi-jatolahy, hamefik'arivo. Izay ranomaso namonto ny lambako, Tsy ho zakanao ka tsy hiantsoako tody; Soa ihany fanahy fa raha ny angatro, Tsy ho telinao fa voly mamody. Misaotra anao indrindra nanapak'ilay toky, Misaotra anao indrindra, tsy arahin-tsiny; Akaka sy gana ao an-drian'i Mangoky, Afa-milomano, manao izay tiany. Maroc
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-foko-raha
INY FOKO RAHA…
RRAG
INY FOKO RAHA… Iny foko raha hitroatra, hanambara ny tadidiny, hilaza izany am-po miloaka, izay anjara nofinidiny, dia tsy maintsy hisento ihany, hitsiaro ny fitiavako, hahatadidy ny tomany, tao am-pon’ilay finiavako! Iny foko raha hitady, hafaliana ilavidavitra, tsy hahalala tany fady, raha hitady an’ilay avotra, fanavotana ahy raha trotraka, tsy manan-kerim-po intsony, nanarenana ahy ‘lay potraka, mba hahatonga fo hitony!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-afaka
TSY AFAKA...
RRAG
TSY AFAKA... Vono olona, latsak’aina, io no sanda, sandam-pahafahana, vidin-tolona, tsy noneram-bola, fa natakalo, natakalo fihavanana! Vono olona, latsak’aina, tsy nanova inona, fa vao mainka nanageja, nanamafy fototr’ireo fefy, sy namato-maty ny tady, handripahana ny Gasy, sy ireo nitarik’ady! Vono olona, latsak’aina, tifitifi-tsy ankijanona, tsy nanam-piafarana. Fandotoan-tsaina, hanohitra firaisankina, izay soatoavin’ny Gasy, tena manan-jina! Vono olona, latsak’aina, Noheverina hanafaka, hampilamin-tsaina, Kinanjo, nampioko fahavalo, handripaka ny Gasy. Dia ‘lay Malagasikely, an-tanam-polo tsisy basy! Vono olona, latsak’aina, rà nalatsa-pahavalo, tsy nasiany hasina. Nohitsahiny ‘reo sata, velirano masina, natsangam-pirenena, ho satan-tanindrazana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ambivitra
AMBIVITRA…
RRAG
AMBIVITRA… Noho ianao nandao, namela azy hiady irery, dia solafaka izy anio, tsy nisy fo nijery, tsy nisy hazavana, nitari-dalana hiampita. Ambivitra izy izao, tsy hanantena ny ho tafita! Eo ambivitra izy, amoron-tevam-paharendrehana. Ambivitra ny ainy, ‘zay mety tata-pandevenana, solom-pasan’ny fitiavany, handevenana ny ainy. Ambivitra izy, efa donto koa ny sainy! Ka raha azonao atao, ny miverina mimpody, dia modia dieny izao, sao ho aminao ny tody, fanenena mandramaty, ho fatoran’ny ainao. Izay vesa-tsy ho tanty, tsy maintsy handrendrika anao! Dia ianao no eny ambivitra, hisolo toerana azy indray. Fa ny azy efa vita, efa resy, ny setrasetrany hatrizay. Efa milamina ny fiainany, tsy hisy fijaliana intsony. Izato anao kosa, rahoviana ny fo, rahoviana no hitony?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sora-tananilay-malalanao
SORA-TANAN’ILAY MALALANAO…
RRAG
SORA-TANAN’ILAY MALALANAO… Diam-penina nasosany, hilaza ny ao am-pony, hoe: “Mbola tiany ianao”. Mampatsiahy irony lasa, isan’ireo tsaroany, ny hamamin’irony, teo anilanao! Ny safosafonao eh! Voatanisany avokoa. Ny orokorokao, niodidina ny molony. Indreny, ny fidoboky ny fo roa, tsaroany ihany koa, fa isan’ny natolony! Ny fahadiovam-batany, mba ho fatoranao, dia tanisainy an-diary, ‘reo zavatra natao. Eny, hatreny am-parafara, ka hatreny amoron-drano, mbola ao an-tsaina, ilay teny an-jorontrano, ‘zay efa trano haolo, tsy misy mipetraka, teny mantsy hono, ianareo no tafaresaka! Sora-tanan’ilay malalanao, firafitra diary, tantara fohifohy, voasoritra an-tsary. Mampatsiahy anao ny vita, sy ‘reo mbola an-kinasa, hinoany fa tsy hijanona, amin’iny koa ny lasa! Fa mbola hitohy indray, handrafi-java-mamy. Mbola hanjaitra koa, ny triatran’ny tomany, tavela foiny ianao, niainga ho any ampita. Mitoetra hatramin’izao, f’ianao mbola tsy hita. Ka hadisoany ve, ny mitsiaro sy manoratra? Na ihany koa, ny mihazona ny soratra? Izay nalefanao, ho fampaherezana azy, fa avy any ianao, ‘nareo roa hivady.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/neny-anio
NENY Ô! ANIO…
RRAG
NENY Ô! ANIO… Neny anio tsaroako, irony anatrao, nodiako tsy nohenoina. Ankehitriny ireny, nitondra ity fahazarana, nitondra hakamoana, nitondra fahalemena, nilanjana fanenenana. Noheverina ho lasa, tsara fandevenana, saingy indrisy anefa, fa ratsiratsy tototra, ka tsy afaka nitsiry, na dia tsara fototra! Neny ô! Anio irony ditra, vao fato-panenenako, tetezana efa boboka, tsy azoko hiampitàna! Anio ihany koa, vao reko ny hirifiry, nentin’ny tsy fitandremako, kinanjo tara loatra, sady efa ringitra, no tsy afaka hitàna! Ka ny antso any ambony, moa tsy latsa tena ah? Esoeso entiko, hanarabiana ahy! Ny figogogogoko, porofom-paharesena, ‘zay nampilavo lefona, hatramin’ny fanahy. Neny anio tadidiko, irony teninao, nanamafisako ny sofiko. Ankehitriny ireny, famatotry ny ditrako, nitondra ny farofiko, satria narefo aho, nalemy fa be vava. Tsy nahay nangina, fa dia nitabataba, nanaraby foana, nanao tsinotsinona, ireny teninao! Neny ô! Neniko ireny, neniko amin’izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nosy
NOSY...
RRAG
NOSY... Ny taniko nosy voadidina onja, ny foko mitosy fa tsy mba manonja! Mientana faly sy feno haravoana, misento ihany raha sendra voadona! Ny taniko nosy voadidina onja, ny lasa rehetra voahidy am-ponja! Ny fampanantenana tsy nisy tanteraka, fa fery enti-maty sy enta-mavesatra! Ny taniko nosy fa manan-karena, misy mpitondra toa maka tsy miera! Tsy jinereny ny vahoaka sahirana, fa avelany hijaly tsy hahita mangirana! Ny taniko nosy fa manan-karena, ny vola no manjaka, ny fihavanany tavela! Natakalo tsy am-piheverana ny harena mandalo, ‘zay nentim-bahiny, nondesim-pahavalo! Ny taniko nosy voadidina onja, ireo tia tena aleo tsy hitondra! Fa injao hangorina ny harenan’ny Gasy, ka ny tompony indray no hangasihasy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-mba-jamba
TSY MBA JAMBA...
RRAG
TSY MBA JAMBA... Ny laza, ny voninahitra, tsy ahoako akory ireny, fa mampandatsa tena, tsy hiraharaha ny hafa! Manamaloka tsy hihiratra, ny masoandro mba hijery, Ka mitondra faharesena, satria namoha ny efa lasa! Ny dera, ny fahefana, toa zavatra mandalo, tsy afaka hamikirana, raha sendra saro-dalana. Mampihombo ny hadalana, mampitombo fahavalo, ka zary lasa manahirana, an-tsedran’ady iray malama! Ny haja, ny harena, nofy iainana eto, sady sarisarim-piainana, fa tsy tena izy akory. Ny kapony i? Mahatonga fo hivetso, hoe: “Nahoana ianao no taitra tory?” Ny firaisankina, miary irony fihavanana, mampiray ny firenena, ka sarotra tadiavina. Azonao iankinana, hisedràna ady mafy, manova koa ny fisainana, sy ireo fijery ratsy! Ny fitiavana, ilay madio tsy mifangaro, tsy hadino, na dia fantatry ny maro! Tsy azo hafenina, ary ambara fa tsy ambany. Isika rehetra izao, iza moa no tsy hila izany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eto-anatrehan
ETO ANATREHAN’…!
RRAG
ETO ANATREHAN’…! Eto anatrehan’ny lanitra, na ory ianao na manana, eny na mahantra. No andraisako ity tanana, hampiray antsika, anaty tokantrano, ilavitra hatsiaka, ilavitra angano! Eto anatrehan’ny tany, no anaovako ity voady, hamoron-tokantrano mamy, isika roa mivady. Ka ny vovoka no fototra, dia izy no handrava. Ny lasa tsara tototra, ny hoavy mbola ho lava. Eto anatrehan’ity peratra, no hanehoako fitiavana. Ny fitiavako hary elatra, no fanafody nampihavana. Nandravona ny antsika, sy ny misitery nentiny. Ity ‘lay taratra nampita, nanadio ny atim-periny. Eto anatrehan’Andriamanitra, ‘lay nahary sy nikolo. Eto anoloan’ity lanitra, no hivoadiako manontolo. Ka hanolorako ny dina, hifamatorantsika. Satria ianao ‘lay tiana, famato-dahatsika.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/loza-marina
LOZA MARINA…!
RRAG
LOZA MARINA…! Tsy naharitra aho ny hikitika, sy hisafosafo anao. Saingy indro fa nipitika, ‘lay solonify vao, fanafenako ny henatra, raha hanoroka anao, teo am-panolorako ny peratra, ho eny an-tananao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vetsovetso
VETSOVETSO…!
RRAG
VETSOVETSO…! Ny onjam-piainanao ry tany, dia onjam-piainako ihany koa. Hozakaiko am-pahendrena, mba tsy ho lasa ràtram-po! Ny ady efa natombokao, tsy hofaranako mihitsy. Fa dia iarahako aminao, eny na dia ora vitsy! Tsy afaka ny hangina aho, raha tsy anao ‘lay fandresena. ‘Lay nolofosanao mafy, ho rehareham-pirenena! Ny sedram-piainanao ry tany, hosedraiko ihany koa. Ka tsy hiondrefako mihitsy, ny herin’ny fahavalonao. Mahery dia mahery angamba, fa tsy atahorako akory, Ka modiako ho jamba, amin’izay dia resi-tory! Ny onjam-piainanao ry tany, hosedraiko ihany koa, Ka ‘zay adinao rehetra, dia ho adiko avokoa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-taniko
NY TANIKO…
RRAG
NY TANIKO… Ala maitso mavana, maneho fanantenana, no manaingo sy mandravaka, mandoko ny tanàna! Voronkely maro an’isa, no indrao mikalo am-bodilanitra, sady faly mitanisa, ny hakantonao avy eny an-danitra! Rano avy eny an-tendrombohitra, misavasava lala-maro, rehefa eny ambany vohitra, dia ‘ndreo miredo-mifangaro! Ny rivo-miainga avarabaratra, no miarahaba ny atsimo! Ny masoandro mitinaratra, no minday ny fanilo! Ny taniko no hafa indrindra, maro voary miray rindra, mifanampy, mifanohana, miara-mizotra manala tohana! Ny taniko no tena miavaka, tomefy harena afa-mandravaka, manaingo ny tanàna maro, tena izy fa tsy angano! Miavaka loatra raha ianao, fototra hafa angamba izaho, fa tsy iray volavola aminao. Na izany aza dia tiako ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voninkazo
VONINKAZO...
RRAG
VONINKAZO... Voninkazo hafa fiaina, tsy malazon’ny talaho. Voninkazo toa misaina, no heverako anao! Nanaitra ahy avy hatrany, ny rivo-manitra nentinao. Nanindrona ahy ihany koa, ny tsilon-drantsam-batanao! Voninkazo tsara voly, mitondraka isa-takariva. ‘Lay fela-manitrao olioly, lalovan-drivotra madiva! Voninkazo hafakely, nahababo ny fijery. Voninkazo loko roa, nahafinaritra ny fo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sanatria
SANATRIA…
RRAG
SANATRIA… Fihomezako indraindray, ny mahatsapa anao ilavitra, ny akanin’ny fitiavako, raha sendra andro alina iny. Saingy indray andro izay, ny fandrinako nihovitra, dia nanosika ahy ny nofiko, hampody ny fahiny. Dia ‘ndreo fa mitamberina, toy ny tranga vao miandoha, efa fanta-pahataperana, fa tsy maintsy handràtra fo. Saingy hinian’ny tena ihany, holalovana ny onjany, nefa ho hirifiry koa, ny mety mbola ho lanjan-jogany. Ny fo anefa tsy hanan-tanana, hanakanana herim-batana. Izy koa mba mila namana, tsy mitady fisandratana, toy ny saina miria, mieboebo fa mahavita! Raha azo atao ny mamafa, irony lasa, aleo koa mba ho ritra. Fihomezako indraindray, ny mahatsapa anao nisintaka, ny fitiavanao mihitsy, no fanta-poko feno fitaka. Feno haitraitra ihany, tsy mahalala tena tia, ny ho azonao fanindroany, dia tsy hisy sanatria!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hitomany-intsony-izy
TSY HITOMANY INTSONY IZY.
RRAG
TSY HITOMANY INTSONY IZY. Maro loatra ny ady vitany, ny fery nolanjainy irery. Nozakainy koa ny ditrany, zary ràtra nitsianjery. Ka tsy hitomany intsony izy, f’efa maro ny nitolomany. Tsy hitomany intsony izy, fa hitàna ny fahanginany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pejy-nosoratany
PEJY NOSORATANY!
RRAG
PEJY NOSORATANY! Ilay ianao nandalo, tinazany niserana, reny toa nikalo, nihira fanenenana, no nanaitra azy, nanoratr’ity pejy, ‘zay narafi-dahatra, sy nosoritin-tendry! Noho ianao nisedra, olan’ny fitiavana, no nanoratany ‘lay boky, misy anaranao. Pejy maromaro, mitantara fahasambarana, nolalovanao, isan’ny mirafitra ao! Pejy nosoratany, manokana ho anao, irony pejy valo, misy famantarana, fa mbola ianao, no tiany hatramin’izao, izay angamba, ‘lay tena fandaharana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-no-fialofany
IANAO NO FIALOFANY…
RRAG
IANAO NO FIALOFANY… Ianao no fialofany, fitafian’ny fitiavany, isan’irony rovany, nokajiany fa fananany. Ianao ilay firavaka, diamondra sarobidy, ianao no nampiavaka, ny anjara nofinidy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miverena
MIVERENA…
RRAG
MIVERENA… Miverena ry olon-tiany, miverena re ianao! Fa ianao ‘lay nofidiany, ho tokantranony vaovao! Hanorenany ny dinany, hanoritany ny tendry. Hanefainy izay tsy vitany, hanatsarany ny kinendry!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-lanitra-ao
RY LANITRA AO…
RRAG
RY LANITRA AO… Ry lanitra ao ambony, ity indray ny vokatro, eo mba handrotraho, ny tso-dranonao. Inty izy, harafitro amin’ny soratro, mba ho fankasitrahako, ny talenta avy aminao. Ry lanitra ao ambony, indro ny amboara, ‘zay amboaran-tononkalo, mizara fifaliana. Mitanisa ireo, karazana tantara, misy fijaliana, rakofam-pahoriana. Ry lanitra ao ambony, mba hiderako anao, amin’ity talenta, natolotrao ho ahy. Dia ‘reto tononkalo, sitraka ho anao, mba hampitony fo, hitoeran’ny fanahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/injay
INJAY...
RRAG
INJAY... Injay fa toa misento, latsa-dranomaso, ity kambotikely tsy manan-ko hantenaina! Tsisy mba nijery, na mba nitopimaso, fa mainka nompaina, sy nolatsalatsaina. Injay fa reko etoana, ny gogogogonao, miantso vonjy, mitaraina, dia ‘njany mitalaho. Noho ‘reo ràtram-po tsy zaka, sy fery izay tsy tanty, naleonao nangina, niaritra ny mafy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hinianao
TSY HINIANAO!
RRAG
TSY HINIANAO! Nojinerinao ny masony, nangovitra izy avy eo, voafatotry ny ankasony, ‘lay fony vao naneho, hoe: ”Babonao tanteraka”, ka mila anao, mila anao! Satria tiany ianao, eny! Tena tiany ianao. Vahotra ny lelany, tsy nahaloa-peo. nihovitra ny vavany, tsy nahavita ny naneho, ny atim-pony ao, tahiriny efa ela. Manahy anefa izy, sao ho tavela, raha iny ianao ‘lay tiany, manatona olon-kafa. Ny hasarotam-piarony aza, mahita anao mitafa, miresaka amin’olona, tsinontsinonao, dia mety handràtra azy, na dia tsy hinianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-hotanisaiko
RAHA HOTANISAIKO…
RRAG
RAHA HOTANISAIKO… Raha hotanisaiko, ny alin’ny alahady, nilatsahan-drà, tao Moramanga, dia ranomason’aina, ranomason-drà, no hany azo alatsaka, raha tiana hisy lanja. Ny sorona nataon’ireo mahery fo, namoizany aina, tao anaty ady. Tao anaty tolona, tsy nahitany soa, fa nanariany aina, ho an’ny tombontsoa, an’ireo zana-bazaha, mpamadi-pirenena, sy ‘reo olom-bitsy, saingy tia tena. Raha hotanisaiko, ny orakora-bahoaka, tamin’iny alina iny, dia hitroatra ny alahelo, ka maro ny hiteny, handao koa hapoaka, ny adim-po vaovao, nefa mba saino kely. Hoe: “Ho firifiry indray, ny aina ho hafoy, vao hiato izato ady, hirin’ny fo hatomboka”? Sa mety hiandrasana, aina maro hafoy, satria tokoa hoe: “Fitiavan-tanindrazana”?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kiry
KIRY
Fredy Jaofera
KIRY Tsy tody ny tanjona raha tsy nisy ny kiry niamboho ny anjona sy nanery azy hitsiry. Tsy velona ny ezaka raha tsy nisy ny kiry, na dia efa tofezaka tsy mba hay impiry. Tsy nipoitra ny soa raha tsy nisy ny kiry tsy nanam-paharoa, sady izay makadiry. Tsy nivazo ny tany raha tsy nisy ny kiry notohizina hatrany, na voan'ny hirifiry.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-tefy-tanimanga
FITIA TEFY TANIMANGA...!
RRAG
FITIA TEFY TANIMANGA...! Tinapaka sahady, ilay tady nifamatorana. Drodroky ny ady, hono ilay fatoràna, fatorà-nampiray, nitia sy ny tiana. Ilay hoe mandrakizay, toa rava, nahavariana! Toa kitoatoa ny rafitra fitia, tsy laviko, tia ianao satria, sahy niady mafy, namerin'ilay tiana, saingy ny rafy, no nahazo ilay nirina! Fitia ratsy feta, toa tefy tanimanga, zary setrasetra, toa fery! Injay nahajamba, nanakona ny taratra, nandrava ireo vina! Ny fo 'lay tomaratra, indrisy! Toa nilaozan-tiana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-sendra
RAHA SENDRA...!
RRAG
Ho anao izay nentim-panenenana nandao ny olon-tiany no nanoratako ity! Tsarovy hatrany fa tsy misy mihoatra ny fitiavana izany! Sambatra izay mahay mitia! Mahaiza mifankatia! RAHA SENDRA...! Raha sendra ianao ka tojo, ady mavaivay, toy ny voafato-drojo, an'afo mahamay! Dia tsarovy izy, ilay nitia tsy niato, ‘zay tsy nety kivy, na dia niaina natsatso! Tsy mba nahazo tamby, na tsiky taminao. Nataonao nampamangy, raha iny ianao nandao! Raha sendra ianao mahatsiaro, eo mba tsiahivo izy, na dia anaty kalo, hira izay tadidy! Tsaroanao fihainony, fiventiny isan'andro. Ao no misy laingony, tinaratra masoandro! Nomeny anao tam-pony, tsy nisy fanerena. Nefa ianao tsy foiny, toa efa tsy hantenaina! Ka raha sendra ianao maheno, ny fitarainam-pony, tsarovy fa ny vero, 'lay nitaingenam-pody. Tsy folaka tsy akory, fa nandefitra ihany. Ka ny fitiavany tsy hatory, fa miandry anao hatrany! Ka raha mba sendra ianao, mivavaka ho azy, dia aoka ho toy izao: "Aoka izahay hivady!"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/gaigy-be
Gaigy be
raozigasy
Gaigy be Ngomangoma maraindraina izany foko asa lahy Mangorangorana tsihaitsihay ilay vanin-taolan-dehilahy Ngolingoly tsy mazava ny vatana sy ny fanahy Ngalingaly sadasada izany lokon’ny tsiahy Mangidingidy tsy hay zohiana izay tsirontsirom-bava Gemagema ginagina, ny endrikendriky ny tava Migorodandrodana hafahafa, ny ambiroa fa ravarava Ngodangoda bodaboda ny ati-saina tsy misava Ngode hoe ? ngode inona ary ny manjo ? Voagamagama, mangamangana, ilay tontoloko mifoha Gaigigaigy, gagagaga izay jeren’ny maso roa Te higogogogo anganoangano ilay seraseran’ny ron-doha Hay gedragedraky ny goka Hay godrogodroky ny foka Ny nofo godragodraky ny poka Ny paosy gobagobaky ny loka Dia nangarongarona vilany Ilay degobagoba koa nandany Mamono afo an-gararaka Dia eo an-gorodo-midanaka Izay no vokatry ny hagegena Ny gakagaka tsy hay fefena Ny tafy he sarita-gonigony Noho ny dorodoroka rongony Sakoa izay fa gaigy be
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-fiainana-eto-an-tany
NY FIAINANA ETO AN-TANY
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ny fiainana eto an-tany, iaraha-mahita, mahalala; ny ambony lasa ambany, mifankatia, mifankahala. Ny fiainana eto an-tany, fanantenana, hakiviana; mahafaly, mampitomany, hehy, ranomaso mikoriana. Ny fiainana eto an-tany, mahatezitra, mampitony; mila fandinihina hatrany, ny ambany, lasa ambony. Ny fiainana eto an-tany, raha dinihina, jerena; tsy maha mpaminany, tampoka dia mahasorena. Ny fiainana eto an-tany, lazaina, ambara etoana, tanin-tsiky, tanin-tomany, manempotra, hisefoana. Ny fiainana eto an-tany, fiainan-tokana, miavaka; aleo mifankatia hatrany, tsy tokony hifanavakavaka. Ny fiainana eto an-tany, tsy fiainana an-jato taona; tsy maintsy mody ihany, rehefa tonga ny fotoana. Ny fiainana eto an-tany, fiainam-pandalovana; miserana, mandalo ihany, ny hiafarany: fahalovana. Ny fiainana eto an-tany, fiainana mila ny Tompo; mba ho tretrika hatrany, sady faly no manompo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tabataba
TABATABA…!
RRAG
TABATABA…! Miantsoantso ny vahoaka, tabataba izany. Tsy matahotra ho faty, fa dia vonona ny hiady. Miroso foana! Miroso ihany! Miroso hatrany! Tsy mifarana! Tsy miato! Tsy mijanona ihany! Ady! Ady! Ady hoy ianao o! Ady tsy amin’ny sandry, fa amin’ny fonao. Rà mandriaka sy faty mitsirara, voatifitra tafondro, voaripaky ny bala! Potika! Potika tanteraka ity tanàna manga! Kila sy rava, ny tao Moramanga. Ady tsisy fiatoana, ka zary ady lava, sady hery tsy mitovy, no mbola basy maro vava! Nampiasaim-pahavalo, namongorana ny Gasy. Dia ‘lay Gasy tsy mampiasa loha, fa miady amin’ny fo! Dia ‘lay Gasy tsy mampiasa hery, atody miady amam-bato! Malagasikely tia tanindrazana, Madagasikarakely! Ny taona 1947 tao Moramanga, notifirina avokoa ireo olomanga. Tao anaty “wagon”, tao anaty trano rava; Ay! Moramanga! Marary izany loha! Marary ny saina! Marary koa ny aina! Foana ho azy teo, ilay fahafahana, izay nantenaina! Ny taona 1947, tantara tsy mba maty am-po, ‘lay tabataba izay niseho, teto Madagasikara! Ny taona 1947, tantara tsy famono, tsiahy ireo mahery fo! Tsy hohadinoina, fa sarotra vonoina sy sarotra fafana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ianao-iny...-any-ianao-a
IANAO INY... Any ianao a
NY HERIMAR
IANAO INY... Any ianao any tantanany sy fihininy, Lavitra tomany Isan'andro sakambininy. Ny momba anao tsy haiko fa lasa tiako teny, Dia ketraka ny saiko fa izany tsy nekeny. Efa an'olon-kafa indrisy ny fitiavany; Saingy tsy voafafa na mby ny fandavany. Izy hono tonga aloha ka voafandriny ilay toerana; Ilay fitiavako vao nifoha tsy mba nasiany fiheverana. Ny fo tena tia: Tsy mora manadino; Nofafazanao tsia, Saingy tsy mbola mino. Ny fitiavako azy feno Hasina, Tsy voavidy vola eto an-tany; Na hiaka-mbamin'ny ranomasina, Mbola tsy hahalevona izany. Raha toa izaho tia foana, Tsy atao hahagaga akia izany; Ny mikiry tsy mahanoana, Sao ianao ho anjarako ihany. Ka manantena anao na anio na rahampitso; Ilay tafo bozako ao, Hosoloinao fanitso... Maroc
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tanindrazako
NY TANINDRAZAKO...
RRAG
NY TANINDRAZAKO... Ny tanindrazako o? Tany sarobidy, tany tsy voavidy, eny tsy amidy! Lova avy amin’ny razako, sisa mba fananako, tsy ahy samirery, fa ahy sy ny taranako!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ferapara-niova-loko...-andiany-faharoa
FERAPARA NIOVA LOKO...!
RRAG
FERAPARA NIOVA LOKO...! (ANDIANY FAHAROA) Rako-javona ny lanitra, dify tampoka ny taratra. Mialokaloka ny fery, ka zary an-trano ny oram-baratra! Ora vitsy no niandrasana, dia tanteraka ny voady. An'alitara no kinendry, dia fahafatesana no ady! Nilavo lefona ny tiana, toa nandao fitia mamy. Zary endri-pahoriana, no nanarona ny tany! Ilay vinavinam-po, nofinofy sisa ireny, f'ilay malala nantenaina, dia nangina tsy niteny! Lasa tsy nanao veloma akory, nandao tampoka ity tany. Tsy vitan'ny hoe mba resi-tory, fa nanalavitra avy hatrany. Namonjy akany mirindrim-bato, tsy mba fonenan'ny velona. Tontolo, lapa, eny akany, fisarahan'olombelona! Dia ny vata-mangatsiakany, no hany sisa nofihinina. Ranomaso no injao mitosaka, nilaozan-tiana an-dririnina. Nisaona teo amorom-boady, tsy nahaloa-bava intsony. Zary fery no nitsiry, ràtram-po no injao namony! Ny ferapara mariazy, naparitaka indrisy, niova loko, ka ny fety nanasàna, toa tsy hisy. Feraparam-pifaliana, zary ferapara mainty! Atao ahoana moa, fa tsy maintsy?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hatsaran-tarehy
HATSARAN-TAREHY
Fredy Jaofera
HATSARAN-TAREHY Ny hatsaran-tarehy dia toy ny renirano misosa sy mandalo, zava-tsy ho voafehy rehefa, hoe, tazano fa miova mampimalo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/01-novambra-2019
01 Novambra 2019
raozigasy
Fotoana hifamonjen'ny maty sy ny velona Hifamelomana tantara, hifameloman-tsiahy Tsy afaka aho ry dada, hamangy anao am-pasana K'anio aho aza andrasana Izany tsy midika hoe adinoko ny lasana Ka ny fahiny ndeha hovoasana Fa mbola ao an-tsaiko sy ao am-poko ianao Eny hatramin'izao Tsy miato aho mahatsiaro, tsy hoe fomba amam-panao Fa tena mbola ao Mahazatra ny olona ny mametra-boninkazo ambony tranovato Fa ny ahy ange ry Dada, tena mbola ianao no voninkazoko ato Mbola ao ianao, manemitra ny foko, ireo taona lasantsika Ireo fiaraha-mamy, ilay taiza izay napetraka, tsy misy iray tomika
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dia-izay-tokoa-ve
DIA IZAY TOKOA VE...?
RRAG
Ho anao ilay mora miovaova fo no nanoratako ity! Mitandrema ihany fa iray no tena tia! DIA IZAY TOKOA VE...? Zendana aho nahare, fa hay ianao 'lay tiako, sarisariny ihany, fa manan-tiana hafa. Nivarahontsana aho, hontsa ery ny foko, raha toa ka ny anarako, no efa toa voafafa. Dia sento sisa ny ahy, no hampitoniako fo! Sento sisa angamba, no hitiavako anao. Fanina aho, marary hatramin'ny loha, toa tsy mampino ahy, fa ianao nandao. Niezaka aho nijery, nikiry ny hahalala, hoe izy mihitsy aza, ilay nahasolo ahy? Namonoana ny fisiako, tsy niantsoina ahy malala, sao dia 'lay namako iny, toa mampiahiahy? Soa aloha fa tsy izy e! Fa raha tsy izany angamba, nisy nify tsy ampy, hahamenatra azy hitsiky. Fa mba iza ihany e! 'Lay olona nahajamba, toa mahagaga ihany, fa hamoronanao ny tsisy? Asa izy angaha no tiana, dia 'zay tokoa no mety, nefa koa tsarovy, hoe tiako foana ianao! Tsy maninona e! Anio aho no resy, fa ny ampitso, mbola hotsarovanao! Dia izay tokoa ve, ny fetran'ny antsika, niova lapa ianao, fa nahita tsara vao? Nefa anie ry tiako e! Ny vao tsy mety ritra, hinoako koa fa any, misy tsara mihoatra anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/saika
SAIKA
Fredy Jaofera
SAIKA Saika hosoratako ny ainga niserana fa zary nahatako tsy haka toerana. Saika hotohizina ny tsapa mangina, mbola hovoizina saingy tsy tiana. Saika hovetsoina ny mamy taloha mora novonoina rehefa nahavoa. Saika hiverenana ny vazon'ny lasa fa nanenenana ka tsy fikasa !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manoratra
MANORATRA
Fredy Jaofera
MANORATRA Manoratra aho satria dia fomba itenenana sy anginana eto koa, mahaliana...Matokia ! Tsy mba anenenana fa mainka mahasoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-mizaka
MILA MIZAKA
Fredy Jaofera
MILA MIZAKA Mila mizaka ny tena fitiavana vao hiorim-paka ny tsy fandavana. Mila mizaka 'tony faharetana vao hahazo laka sy tsy hangetana. Mila mizaka ny tanjona maro vao tsy ho vaka fa mainka hiaro. Mila mizaka ny ezaka etoana vao tena hipaka 'reo haravoana !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ora-farany
ORA FARANY…!
RRAG
ORA FARANY…! Hontsa ianao tazaniko, latsaka tomany, oriory fo, mangina tsy miteny. Nindaosiko ny akany, nilaozako ny tany, ny sisa tao an-doha dia, ny hakanton’ny fijery. Injay! Injay mipaika ny ora, toa reko miahy maivana, miala moramora. Mandositra ny vatako, ny ainy amam-panahy, raha ny eritreritrao, moa ve ho sahy? Injany ny hazavana, manarona ny tavako, hatsiaka mamanala, manafy koa ny vatako. F’izao angamba ny ora, handaozako anao, veloma, eny veloma! Tsarovy, fa tena tiako ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-niandohako-no-iafarako
NY NIANDOHAKO NO IAFARAKO...
RRAG
NY NIANDOHAKO NO IAFARAKO... Neny ô! Nofiko ve ny fiaina-nolalovako, toa sary fotsiny, no mitamberina an-tsaiko? Miendrika horonan-tsary, ny tantara fahatsiarovako, ‘zay misitery amiko, ny niavian'ny aiko! Tsy ary aho, raha tsy ianao sy Dada, nampiombom-pitia, hahaolona ahy. Mbola ianareo, no nahatonga ahy ho zaza, zaza ara-batana, tohofim-panahy! Ianao ry Neny no nampiana-namindra, nibaby ahy tam-pitiavana, raha sendra tomany. Ianao sy dada, no tia ahy indrindra, tokam-pitiavako, raha eto an-tany! Ankizy aho no ianareo ihany, niditra an-tsekoly, sy niana-nivavaka. Nanomboka niaina, ny mangidy sy mamy, naharinao, raha sendra tan-davaka! Nobeazinao, nomenao fahendrena, notezainao, ny hahaleo-tena. Notantananao, mba hiroso hatrany, mbola ianao ry Neny, no namafa ny tomany! Tanora aho, nanomboka nitia, nanomboka nilalao, tan-kianjam-pitiavana. Ny hanadino anao, kosa sanatria, tsy toy izao aho, raha tsy ianao no nitantana! Tiako tokoa raha ny olo-nofinidiko, saingy izany, tsy hahafoizako anao. Izy ry Neny, ilay anjara safidiko, hinoako koa, fa ho tianao! Matotra aho ry Neny malala, hanambady amin'izay, fa efa izao no fotoana. Na izany aza anefa, aza misalasala, fa raha isika mianakavy, dia mbola hihaona! Neny ô! Aza manahy ny fahanterako, ny zanako ireo, nobeaziko toa ahy. Hinoako koa, fa afaka hianteherako, rehefa hisinda, ka handao ahy ny fanahy! Dia hifarana koa noho ny harerahako, ny lalam-piainana, lalovako eto. Ka hiverina tsy ho hisy, talohan'ny nahaterahako, hihaona any isika, fa aza dia misento!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/latsalatsa
LATSALATSA...!
RRAG
LATSALATSA...! Tsy mba noheverinao ve, fa ràtra ho azy ireny? Sa nararaotinao, satria hoe izy tsy niteny? Dia nitabataba ianao, nahita ny fahanginany. Nolatsainao izy, fa hoe tsy efany ireo vinany! Tsy tafita izy, tsy afa-panadinana, dia hoy ianao: “Izay atao rehetra, tsy nahita-mangirana, isan-taona izao, dia mahita izay mi-“double”. Itony mihitsy koa, angamba no efa dondrona!” Tsaroany ireny, ekeny satria tokoa sedrany. Izany no nanginany, tsy nanalavany ny lelany. Fa ianao mihitsy, no tsy mba niezaka nandinika. Avy dia nandatsalatsa azy, etsy koa nitakoritsoka! Izao ianao 'zao aiza, moa tsy any aorianany? Tsy tanteraka ihany izany, izao ilay dinany? Izy dokotera, ianao mpivarobarotra. Ianao mahita azy, mbola miseho mangarika! Nefa indray andro, narary mafy ny zanakao, sendra tsy nisy vola, izato ianao ka nitalaho. Tsy nahoana anefa, ireny lasa vitanao, fa mainka izy nisaotra, tamin’ny tositosikao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-ranomasony
NY RANOMASONY...
RRAG
NY RANOMASONY... Tsy ianao no niaina, nizaka irony nozakainy. Tsy ianao no nilanja, ny sedra efa nodikainy. Tsy ianao ihany koa, no namafa ny tomaniny. Dia sahinao ve ny hilaza, fa ianao no tena maminy? Ny gogogogon-dranomasony, toa tsy tanan-dRamosoara. Ny tepotepom-po manginany, tsy nohenoinao tsara. Nefa any ny fonenan'ilay fitiavany anao. Dia maika ianao, maika ery ianao ny handao! Ny ranomasony tsy naninona, tsy nampaninona azy ireny, raha fitia no tena antony, ka nizakàny eson-teny! Ny ranomasony tsy an'iza, fa anao ilay malala. Tiany foana na nandao, satria ianao ‘lay adala! Mbola hinoany hiverina, saingy diso lalana any fotsiny. Mbola manina ny akany, tsy mahafoy ny rotsirotsiny. Ka ny ranomasony ny azy, no miantso anao mba hody. Ranomaso mandrapihaona, tsy sanatria miantso tody.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misento-indray-ilay-fo
MISENTO INDRAY ILAY FO...!
RRAG
MISENTO INDRAY ILAY FO...! Nahoana moa ny vintana, no lazaina miangatra, kanefa koa ny kintana, mifidy izay tinaratra, manavak'izay tiany, omena hazavana? Iza no omena tsiny, raha toy izay no anjara? Fo akory izany, tsy hisento an'alahelo, raha sendra izay tomany, mbola mihelohelo, toy ny ferin-dasa, tsy maina tsy mitony, kanefa toa mahazatra, ka hihafian'ny fony? Misento indray 'lay fo, maràtran-dRafitiavana. Vaky hatramin'ny loha, sa izay no fandaharana, lahatra tinendry, vintana sy anjara? Izay ve no tendry, voasoratra ho tantara?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsakotam-pary
TSAKOTAM-PARY...!
RRAG
TSAKOTAM-PARY...! Niserana nandalo, toy ny rivotra nifofo, tsy hita atao ahoana, sendra fitia miofo, fitia lany mamy, maina ka nihintsana. Mbola tsy lasa lavitra, dia efa injay voafingana! Nazeran-tsotasota, nalavon'ny mpiankaso, noràtrain'ny tiana, ka sendra izay natsatso. Novadian-toky, nesoina fa hoe bado. Fo iray tena tia, nefa niniana nalavo! Zary tsakotam-pary, nailika fa lany. Tsisy mamy intsony, dia natsipy tamin'ny tany. Nailiny e! Lany fỳ ka efa natsatso. Ankehitriny toa, efa nasolo ranomaso!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kendanny-rivotra
KENDAN'NY RIVOTRA...!
RRAG
KENDAN'NY RIVOTRA...! Fitia efa hita ho ratsy fiafara, tinerena hitsiry handràtrana ny anaty. Fo 'zay tinazana tsy mitepo tsara, no hampakàna alahelo fa maika ho faty. Tsy mijery ilavitra izay mba ombana, tsy mikendry ny hahatsara izay hiafarana. Variandriam-poana anaty hadalana, milomano an-kianjan-dRafilibana! Io ny fahatanorana tiana hodradraina, deraderaina fatratra, fa kanto ohatr'izany. Ka ho hila isan'andro dia hirahiraina, lalalalaina ho mamy toy izany. Hanesoana mihitsy ny hafa fijery, hisoketana ny hafa fiainana. Dia lazaina tsy mandroso izay miteny, satria tokoa ve hoe hafa fisainana? Dia miliba, mimamo, mifoka, miloka, io no tontolony hila isan'andro. Tsy hadinony mihitsy ny mba migoka, ka an-tatatra no hita rehefa maty masoandro. Lany ny an-tanana ny trosa miavosa, tsy hay ny mitsinjo ny andro rahampitso. Namidy ny fananana saingy toa tsy afa-trosa, ka ho lanitra sisa no hany fanitso. Ho eny an-dalana no handry sy hatory, ho an-dava-pako no hitady ny harapaka. Taloha ve nahalala 'zay olona ory? Ka ankehitriny no hoe hangataka! Kendan'ny rivotry Rafandrosoana, dia lahatra foana no omena tsiny. Ny filàna mandalo no ninia notompoina, nefa aiza izao ankehitriny? Fitia tsy an'ny tena no nodongiana, ka volan-tsy ho azo no hantenaina. Kinta-mandalo no indray koa irina, fa tsy mba noheverina fa ny herin-tsaina, sy ny herin-tsandry no tena fandrosoana, ahafaha-mivoatra mita ireo dingana. Arahana ezaka amam-pinoana, ka sedra toa an'iza no tsy ho hety ho ringàna?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/mifona-mifona-aho-ankehi
MIFONAMifona aho ankehi
Hajanirina Mahavaly
MIFONA Mifona aho ankehitrio Raha toa nitia anao Fa io fitiavana io No niraikitra ao anatiko ao Tsapako toa mampijaly Ny foko sy ny saiko Ka nanjary nankarary Mila haningotra ny aiko Tsapako eto mantsy Fa misy ny hadisoako Koa aza mba miantsy Na mampiditra toloko Anio aho mba miangavy Ny hamerenanao indray Mitalaho ry zazavavy Ny finamanantsika hatrizay Koa mba raiso re raha sitrakao Izao fifonako izao Hifankatia isika ho toy ny mpianadahy Izany no ho tanteraka , hasambarana ho ahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hiverina-hiteny-indray-aho
HIVERINA HITENY INDRAY AHO...!
RRAG
HIVERINA HITENY INDRAY AHO...! Hontsa ny foko, ka aleo aho hiteny, sobika ve moa, dia ho sahala amin'ireny? Ireny tokoa mantsy toa, firava-bolamena, nefa iza no hahita, izay tsara amin'ny tena? Firy tokoa ary, ireo sahy naneso? Nisy mihitsy aza, sahy nivetso, nanaratsy anao, eny! Nanasoketa. Amin'izay hono ianao, halan'ny rehetra! Nefa izy ireny, moa tsara noho ianao? Sa tokoa hoe meva, raha mianjaika toy izao? Miavaka tokoa aloha e! Raha ny eo an-kodiny. Fa moa ve izany, handrava izay todiny? Ny akanjony madio, ny ranomaniny midofaka, fa ny any anatiny, toa lambo tsy voafolaka. Mbola mamofompofona, sy feno tsikoko. Dia izy indray, no miseho mitsitoko! Hiverina hiteny aho, fa leo 'ty fitsarana, atao amin-jery, toa tsy hanam-piafarana. Topimaso tokana, dia hoe hafantarany anao. Nefa ny tenany aza, toa tsy hainy hatramin'izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voamason-jaza
VOAMASON-JAZA...!
RRAG
VOAMASON-JAZA...! Ataoko ahoana no hijery, ireto zaza mitoloko, toa misento manirery, hontsa loatra izany foko? Indre, ireto zaza mitomany, mahonena ery 'ty izy, tsy mba misy manontany, ny sasany, vao mijery dia efa kivy! Ataoko ahoana no tsy hanolotra, na dia tapa-mofo kely, mba ho harapak'ity zaza, mangataka tsy misy mba mijery? Ka 'ty voamason-jazakely, mipitrapitra ohatr'izany, fo akory moa, no hahita izao, ka tsy hitomany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/roaka
ROAKA
Fredy Jaofera
ROAKA Rehefa nahazo roaka ny fo amam-panahy dia indro fa nitsoaka nikaroka hafa hiahy. Rehefa nahazo roaka ny saina niady mafy dia indro fa nivoaka ny hambo ka natafy. Rehefa nahazo roaka ny tena singan-drery dia indro fa nipoaka ny sento fa voatery. Rehefa nahazo roaka ny andro nampahory dia indro fa nandoaka 'reo tantara ka fotory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-angamba-any
IANAO ANGAMBA ANY…
RRAG
IANAO ANGAMBA ANY… Najanoko ny sioka, fiantsoantsoana anao, voasakana ny antsika, eny hatramin’izao. Foiny ianao vao tazako, nefa no niboika, toa tsy mety ravako, ny fitiavantsika. Very ity ny fo, manantena fahafahana, voahitsaka ny zo, ny mba hana-namana. Fa voatery ianao, nalefa tany ampita, hanalavitra ahy, sy ny fitiavantsika. Ny alina aho miondrika, mivava-mitalaho, miantso fitsaràna, avy amin’ilay nahary. Nefa mbola tsy hita, tsy hita hatramin’izao, izay fiainam-po, nantenaiko mba hanjary. Ianao angamba any, efa nanadino ny fisiako. Ianao angamba any, efa nitia iray vaovao. Nefa aiza moa, izay fitia hotafiako, raha toa ianao koa, mety ho efa lao? Ny maraina toa hatsiaka, hirifirin’ny fitiavako, ny antoandro, ilay fihaonantsika, moana ny vavako. Tsy mety hahaloa-peo, hilaza an’alahelo, izay ao am-pony. Ianao angamba any, efa tsy ahy, efa tsy ahy intsony!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-mananandro
RAHA MBOLA MANAN’ANDRO...
RRAG
RAHA MBOLA MANAN’ANDRO... Raha mbola manan'andro, ahafahana manova, irony zava-bita, dia araraoty izany. Tsy ny endrika ivelany, no mahakanto rova, fa ny fototra, miary ny endri-tany! Raha eo ny fotoana, ka tsy mandao anao, araraoty koa, ny mandrafi-kasa. Ny mamela sy mifona, raha toa ka vitanao, dia hiverina hadio, hadio indray ny lasa! Ny Noely toy izao, no hametraham-binavina, hamadiam-pejy vao, hitodihana amin'ny hoavy. Andro hafakely, ivon'ny faniriana, fotoana hanamafisana, irony fatoran-tady. Hatahoranao tinapaka, horingitry ny lasa, na hoe ho bobongolo, ho ringana sy ho foana, ka hampihombo fery, hanitatra ny ràtra, dia araraoty ihany, raha manana fotoana. Ka raha mbola manan'andro, afaka handeferana, dia sorito anio, ny vinan'ny hoavinao. Fa raha eto an-tany, tsy misy fanaperana, raha tsy hoe angaha, Tompo koa ianao?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafatra-miafina
HAFATRA MIAFINA…
RRAG
HAFATRA MIAFINA… Vao nahita ireo teny aho, ka natombokao ‘lay “T”, dia nofongariko hifoha, ny hirahirako fahiny. Toa tsinapako ao am-poko, fa izy tsy any intsony hoe…! Tsy tiako intsony ianao, tsy tiako intsony fa aza tsiny. Notohizinao ‘lay hafatra, toa maneso ahy miankolaka, ka ninoninona hiseho, izaho tsy hiverina hiantoraka? Neniko aza iny andro, nahalatsaka fitia, ka nitiavako anao, ankehitriny efa voafafako, ny ferin’ny aiko, ràtram-po navelanao. Novakiako ihany anefa, ity hafatrao miafina, mbola tsapako eny foana, ilay toetranao nandao. Feno hambo, fitiavan-tena sy ‘lay toetra miavonavona, soa anefa, fa tsy tiako! Tsy tiako intsony raha ianao. Dia nofafako ny hafatrao, eny tsy nasiako valiny. Niandry aho! Mba miandry ianao, izay angamba hoe ny rariny. Saingy mety tsy hisy mihitsy, valin-kafatro hiampita, satria ny am-poko efa niaiky, fa hoe ny antsika dia efa vita. Ianao efa tsy ahy! Tsy ho ahy, tsy isan-dRaozin-jaridaiko. Lalan-kafa tsy mitovy, no hizorako sy hizoranao. Tsy iray kianja intsony isika, ka nahoana ianao no holalaiko? Tsarovy hatrany ny alaheloko, foiny ianao nikiry handao. Ka aza omenao tsiny aho, raha tsy hamaly ny hafatrao, fa ny fitiavana ato anatiko, tsy ekeko ho kilalao. Tsy ho avelako, ny fanahy sy ny foko! Ny hitia mangina indray, sao haningotra ahy, ny zirizirinao! Ka veloma mandrakizay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-penina-tsy-hanoratra
RAHA PENINA TSY HANORATRA…!
RRAG
RAHA PENINA TSY HANORATRA…! Raha penina tsy hanoratra, tsisy ilaivako azy, tsy aleoko saribao, no hindramiko hanoratana. Hanoloako taratasy, ny tany andrefan-trano! Fa raha penina tsy hanoratra, tsisy ilaivako azy, ny taratasy indray aza, no hahiako ho tatatataka. Ka raha voarainao dia, hampiditra angano! Raha penina tsy hanoratra, tsy hahavita episitily, tsy hahatanisa akory, ny fitiavako ato anaty. Na mba ho hahafataranao, ny am-poko tsy miloaka! Raha toa ka penina tsy hanoratra, dia mety ho hahitako tsiny, hanalaviranao ny foko, ka ny fitiavanao ho faty. Na mety hangina fotsiny, ka hatory tsy hivoaka! Fantatrao moa hoe, tena tiako ianao o? Ka raha penina tsy hanoratra, tsy hahatafitako izao, hafa-nitahiry, tsy niloaka tao am-poko. Ny hiantso ny anaranao, efa toa tsy foiko, ny foko aza anie e! Manofy anilanao. Raha penina tsy hanoratra, dia aoka amin’izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nindaosinny-fahafatesana
NINDAOSIN'NY FAHAFATESANA...!
RRAG
NINDAOSIN'NY FAHAFATESANA...! Omaly hariva no nikotroka, nitselatselatra tsy niato, zary lasa nody vovoka, tsy nitepo toy ny maty, ny atim-poko ilay nitia, izay nilaozanao tsy niera. Ka indro maty ilay fitia, sendra varatra nianjera! Fery maimbo efa nikiky, no navelanao tam-poko, namaizininao ‘lay tsiky, ka nivadika ho toloko, nisintona ny sento sisa, nanamafy ny fitiavana. Ràtra efa tsy ho voatanisa, no navelanao Rahavana! Dia nindaosin'ny fahafatesana, ny fo nitia ka maizim-bolana, ràtra noheverina hiserana, saingy fery tsy nanolatra, fa nikiky moramora, ny aim-pitia sisa tavela. Vao nigadona 'lay ora, tsy nitepo izy ka nianjera! Ranomaso tara loatra, no fanafody fitsaboana. Aretina efa tafahoatra, efa tsy sitran'ny finoana! Ka nindaosin'ny fahafatesana, ilay fitiavana hatrizay. Antso tsy hisy hifandrenesana, fa raha tsy ady ampy izay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/torimaso
TORIMASO…!
RRAG
TORIMASO…! Mahantra izahay, satria hoe tsy manana, tsy afaka mianjaika, toy ny anareo. Mahantra izahay, fa ny kely an-tanana, hany anananay, nobodoan’ireo. Mahantra izahay, dia tsy afaka mihinana, hanim-pitoloha, toy ny anareo. Ny anay tsindrohina, hatramin’ny tsy fihinana, sisa fanome, ny alikan’izy ireo. Mahantra izahay, mandry amoron-dalana, miaritra hatsiaka, sy mihafy ny oram-baratra. Ianareo an-dapa, mirindrim-baravarana, fa ‘zahay tsy manana, na jiro mba hitaratra, na lamba hotafiana, na mpiambina hampitsahatra, izay vovòn’alika, an’alina tomaratra. Izahay tsy manana, ‘zay baiboly akory, baiboly ho afaka, hoentinay mivavaka, ny mba hanananay, dia fo tsy mety tony! Fa hoe angamba kosa, minia manavakavaka, ‘ty lanitra ambony, mba tafontranonay, ka ianareo no ampiany, fa izahay dia ‘zay! Tsy misy an-tananay, firavaka mangirana, fitondra an-danonana, fandravaham-batana. Fa ny hany fantatray, dia izahay sahirana, tsy manana mpiantra, mba afaka hintantana. Ry lanitra ambony, aza melohina intsony, fa efa toa mavesatra, ny fery entinay. Mahantra izahay, fa aoka ilay tory, torimaso tokana, mba fanananay, mba tsy ho alaina intsony, am-pelatananay. Fa io no mba anay, anay mandrakizay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tsy-mivalo
TSY MIVALO
AbouNusrayni
TSY MIVALO Ny fitafinay tsotsotra; Ny paoketra rovidrovitra; F’izahay mitanjozotra; Tena sahy tsy mangovitra. Na dia tsy manana izahay; Dia mijoro tsy mba menatra; Ianareo mpiseho milay; No sadaikatra sy hendratra. Rah’ mbola salama tsara; Sy mahita atao karama; Tsy hanaiky ny hitsirara; Tsy maintsy ho tsara fiafarana. Izahay tsy mba mangataka; Mbola mahavelon-tena; Ny moralinay miakatra; Tsy mahatsiaro mahonena. Ny fiainana eto an-tany; Dia fitsapana mandalo; K’izay mifofotra hatrany; No tafajoro tsy mivalo. Ataovo lesona ho anao; Fa na dia farahidiny; Rehefa tsy mizahozaho; Mahita mamy fa tsy ngidiny. (Sinoratra fito minitra, record-ko) 29_10_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/minitra-iray
MINITRA IRAY...!
RRAG
MINITRA IRAY...! Maso mba nitopy, nanilana fijery, kinanjo ianao nandalo, dia nitsiky kely, nanopitopimaso, nitazana ahy variana. Hoy ny eritreritro hoe: “Ay! Iny ilay tiana!” Minitra iray tsaroako, saingy toa niserana, nitsiry tao an-tsaiko, tsy nanam-pahataperana. Fa satriko hahita, 'lay tsikinao nambabo, mety hisy hitovy ihany, saingy tsy ho iray fivazo! Tsy hahasolo ny anao, izay taratra namafa, nikosoka ny ràtra, nentin'iny lasa. Minitra iray tsaroako, tsy ho faty intsony am-po, io 'lay hany topimaso, mba nitondra soa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/namakivaky-efitra
NAMAKIVAKY EFITRA
Fredy Jaofera
MAMAKIVAKY EFITRA Namakivaky efitra ny lala-nodiavina vao nahita hevitra tsara sy notoavina. Namakivaky efitra ny asam-pikirizana vao tsy tia nitefitra ny ela nikoizana. Namakivaky efitra ny rofy nankarary vao bebe fanefitra ny jaly izay fanary. Namakivaky efitra ny zoron'ny fanahy vao mora nilefitra sy tonga sahisahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-aleonao-izaho
TSY ALEONAO IZAHO...!
RRAG
TSY ALEONAO IZAHO...! Tsy laviko fa hoe, mpinamana isika, ilay tsy nifankafoy, eny hatramin'ny ela. Niaraka nianatra, fa samy te ho tafita. Saingy ianao nisidina, izaho ity tavela! Na tsy nifankahita aza, dia tsy nifanadino, niantso ahy ianao, nilaza ireo vaovao. Hanambady hono, izaho toa tsy mino, raha hanambady ihany, tsy aleonao izaho! Inona no ataoko, ny tena moa vehivavy, tsy afaka hamboraka, ny fitia anaty? Dia tsy tsapanao ve, irony sangisangy, fitia miredareda, izay tsy mba mety maty? Isika koa angamba, saranga tsy mitovy, kilasy tsy hifandanja, ka tsy natao hiaraka. Nefa anie malala e! Eo moa mba tsarovy, fa ny oram-baratra aza, sedra tsy nahasaraka! Nefa ilay nofinidinao, mba taiza tamin'ireny? Narary ianao, moa tsy izaho no teny? Saingy izay angaha no anjara a! Malala a! Dia soava tsara!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/dia-nentinao
DIA NENTINAO...!
RRAG
Hanonofy kely aloha isika e! Sa ianao tsy mazoto? DIA NENTINAO...! Moa ve izaho ry lasa, no tsy nahay nitana anao, ka dia navelako handao, ireo tsara nentinao? I Fahazazana volamena, nandao ahy toa tsy niera. Ry fahazazana ilay tsy foiko, eo re mba miverena! Fa mangina irery aho, manimanina ireo lalao, hangotingoty, hantahanta, isan'ny natolotrao. Raha mba azonao atao, ny mamerina azy ireny, dia aleo aho ry lasa, mba hitamberina eny ho eny! Dia nentinao mantsy, irony tsikiko fahiny, ekeko aloha e! Tsy hoe ratsy ny ankehitriny. Saingy hafa ihany hoy aho, ianao ry fahazazana. Indrisy anefa nofy sisa, satria ianao toa tsy tamana! Dia nentinao nandeha, irony tsiaron'ny Noely. Aleoko ihany re raha mety, hiverina ho zazakely. Mba hanonofy kilalao, izay ho azoko atsy ho atsy. Saingy indrisy e! Tsy ho tena izy, fa dia ho nofy ratsy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-izaho-no-filoha
RAHA IZAHO NO FILOHA…
RRAG
RAHA IZAHO NO FILOHA… Hoy ireto mamolava, mba tafaresaka, efa fantatrao, fa balahoasy no betsaka. Nefa toa marina, ity raha lazainy, mba mandinika ilavitra, koa kay ny sainy! Raha izaho no filoha, hoy i Ranitika: “Dia tsinjoviko manokana, ireo madinika. Faiziko jiaby, ireo nanjakazaka, ireo pôlisim-bohitra, toa an-dry Razaka! Irony zandary, miseho mieboebo, toloran-kely, dia hita fa revo. Ataoko mpanasa, ny lamban-dRafotsy, mety ho voaolana tsara, irony bodofotsy! Ireo miaramila, mameno tanàna, alefako hamboly, tsy maninona, na dia tsy ho tamana, f’ireny ihany, no mahabe dahalo, sady raha eto ireny, dia ho be ny fahavalo! Ny minisiterako, dia zaraiko tsara, ialahy izao mpampianatra, dia omeko anjara, hitantan’izany, fanabeazam-pirenena, ialahy koa atokisako e! Ka hanaiky hotendrena! I Rabodo mpivaro-damba, no ‘ndeha homeko, minisiteran’ny varotra, fa io aloha tsy hotereko, satria efa hainy, hatramin’ny mizara vilana. Ka ireo nanjakazaka teo aloha, dia mety ho sahirana. Randria mpitari-posy, no alefako hisahana, ny minisiteran’ny asa, eny Ranamana! Izy mantsy izao, no be fikafika, hinoako mihitsy, fa tsy ho ela, dia tafita isika. Irony vahiny, mibodo tany. Aiza koa ireny no tsy hitomany, raha alaiko aminy izay efa nalainy? Ataoko tsy hitony, sy ho vaky ny sainy. Dia eo no hanorenako, trano fivoahana, tsy handoavam-bola, raha tsy hoe hasin-tanana, enti-manatsara, ny foto-drafitr’asako, tanterahiko daholo, izay nokinasako. Ary mba ahoana e! Raha ialahy no filoha? Asa ve, mba vonona koa? Fa toa tsy miloa-bava na dia kely. Sa ialahy tsy manofy, ny ho toy ireny?” Raha izaho no filoha, hoy ity Ramamokatra, dia avelako halalaka, ny bara hisokatra, fa ry zalahy pôlisy, no tsy ekeko hiditra ao, indrindra moa fa, ao amin-dry Ravao. Ry lerony mantsy, miketrika sipa, sipa efa hita, fa ankizintsika. Dia injay mampitahotra, amin’ny basy an-tanany, mandrahona mihitsy, no ataon’ireo namany. Ialahy ve adala, hoy i Rangitrika, hifanadala, amin’ny zaza bitika? Ialahy te higadra, hanandram-bary tsy vidina. Mba fero ihany, ity fahasahiana! Izaho ve lesy ny filoha dia hisy hanagadra a? Raha ny fahefako, aza atao mahagaga! Fa irony mpitsara aza, ambany fibaikoiko, afaka tereko, na dia hanala tsikoko! Fa ity ialahy be vava, raha mba lasa filoha, atahorako mihitsy, ny ho vaky loha, harary saina, amin’ny zavatra kely, matahotra foana, ny ho bedin-dReny. Diso ialahy, fa raha izaho no filoha, ireo izay efa nitondra, alefako masoivoho. Amin’izay izy ireny, tsy sahy manohitra ahy, satria voavidiko, hatramin’ny fanahy. Ny andrimasom-pokonolona no omeko karama, fa ry lerony zandary, ataoko tsy ho tamana. Dia hanatevenako, ekipam-pirenena, amin’izay ny Barea, mba mitondra fandresena. Irony mpanondrana, harem-pirenena, haondrako ny zanany, mba hatsapany tena, fa lafovidy, ny ranomason’ny Gasy. Ny sasany miaritra, ka izy no tsy hihafy! Ny tany rehetra dia zaraiko amin’ny Gasy, tsy misy ho avelako, hangasihasy. Fa mba aoka kosa, samy hanana ny anjarany, mba hitsinjovany, ny hoavin-taranany. Avondroko daholo, irony mpanao basy, hananganako orinasa, tena Malagasy. Mba tsy hanafarako intsony, ireny any sina! Tsy ny hahaleo-tena moa, no ho faniriana? Toy izay no tafa, nifanaovan’ireto, mpiara-mirevy, mba niray vetso. Ka toy izany no hiseho, raha ireo no filoha, fa mba ahoana kosa, raha toa ianao moa?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/noely-fahatsiarovana
NOELY FAHATSIAROVANA...
RRAG
NOELY FAHATSIAROVANA... Mangetaheta aho, manina iry lasa. Teny ry tiako, no nahavitana kasa, hoe hifanambady, ary tsy hifandao. Ankehitriny anefa, aiza no misy anao? Tsaroako isika roa, nijery kilalao, tao amin'ny vaditranon'ny fiangonanao. Teny isika roa, no nifampizara. Ianao ry tiako, no noheveriko ho anjara! Nanofinofy anao aho, ry ilay malala. Ny alin'ny Noely, indray taona toy izao. Hitako ianao, nefa tsy te halala! Dia 'zay tokoa ve, ny voady niaraha-nanao? Noely fahatsiarovana, ny fisarahantsika. Noely fandalovan'ny fiarahantsika. Noelim-pifaliana, saingy nisy ranomaso. Teo ry tiako, no tonga ny ankaso! Noely toy izao, no nanjavona 'lay kintana. Malala a! Izao ve no vintana, ianao tsy ho ahy, ny lahatra tsy namako? Ianao safidiko aza, toa efa tsy an-tanako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ry-zanako
RY ZANAKO
NY HERIMAR
RY ZANAKO Tsy holalovanao zanako ny lalan-drainao tanaty fijaliana; Saingy adidin'ny tanako ny manefy anao anaty fihafiana... Sarotra ny miaina, Ny valala tsy azo mora; Koa aza be taraina, Mifohaza ry tanora! Ianao anie anaka ka andraindraiko fatratra; Dieny mbola tsy valaka, Kendreo izay lafatra. Any andro any taona, I dada tsy ho eo intsony Ka iriko tsy hivaona, Irony anatro irony. Avelao ny rendrarendra fa mpamono ny hoavinao; Ny miandry kisendrasendra Fadio tsy ho fanao! Voa tsy afafy tsy mitsiry, Na mitsiry tsy zarizary; Ny lokon-tsihy mankadiry, Tadidio fa tsara rary! Ireo haren-drainao, Tsy tongatonga ho azy fa vokatry ny natao sy fahazotoa-mitady. Eny, tsy holalovanao zanako ny lalan-drainao tanaty fijaliana; Saingy adidin'ny tanako ny manefy anao anaty fihafiana... Maroc
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zava-pady
ZAVA-PADY
Fredy Jaofera
ZAVA-PADY Ny hiverina indray amin'ny lala-nandratra dia zava-pady fa ny tena efa fay tamin'ireo loza nihatra ka nivoady. Ny hijerijery ihany amin'ireo olo-nandavo dia zava-pady fa maro ny tomany na ny fotoana tsy ravo efa nianjady. Ny hifampiraharaha amin'ny olo-nandrava dia zava-pady fa tsy afaka hamaha an'izay tokony hisava, na dia hitady.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ayayah-valo
***AYAYAH… VALO!
AbouNusrayni
***AYAYAH… VALO! 1.Rehefa samy te ho lohany - ireo avara-pahalalàna Ka mitaona mpino maro - mba hanaraka ny azy. Rehefa ny fitiavan-kely - no manjaka tsy igagàna Rah ilaozam-pitahiana - ireo mpino, toa voasazy.*** 2.Lasa toa nohadinoina - ny tena olan’ny vahoaka; Ireo zava-manahirana - iandrandrany torohevitra. Fa dia ireo fombafomba - ankamely sy ampamoaka. No votoatin-toriteny - zary atao mampievotra.*** 3.Miala amin’ny ankanenjika - sy ny fifamasohana Dia ny didy aman-dalàna - ireo mety sy tsy mety; Toriteny maina loatra – tsy mampisy fifantohana. Indraindray az’ ivavahana – mba ho vita vetivety.*** 4.Rehef’ilay toriteny - andrandraina mb’ hampahery; No toa efa zary tsianjery - tsy mampiraik’ intsony. Hihamarefo ny finoana - ka ny hiafarany ho very; *** Ilay fah’resena lahatra - mahatonga ny fo tony. 5.Nisy an’kiray izay - tena nahakivy fatratra; Toriteny tamin’ny andro - ngez’ indrindra eto an-tany. N’ mihety volo tsy azo atao - hoy izy, raha namatratra. Nefa tsy mba n’hazavainy - hoe mampaninon’ ary ‘zany! *** 6.Efa fantatry ny maro - ireo karazam-pahotàna Ny mangalatra, ny miady, - mitsiriritra, manatsafa… Fa ny zavatra manokana - nahatonga fandraràna. Moa tsy tokony hazava - mba tsy his’ hitsapatsapa?*** 7.Tsy hoe te hampiady rima - ka mikapoka etoana; Tsy hoe faly ny hanakiana - ka mahita ho tenenina;*** Fa misarika ny saina - amin’ny tranga manoloana. Ny hamotserana ny ratsy - dia ahitan’izay ho arenina. 8.R’hefa ny fanabeazana - no atao ambin-javatra; Hivarilavo ny vahoaka - ka ny ratsy no hanjaka.*** Ny fanoroana am-pitiavana - no mampahazo vahatra. Sy antoka hahatonga - ilay finoana hiorim-paka. 24_10_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mafy-ady-sa
MAFY ADY SA...?
RRAG
MAFY ADY SA...? Miangatra lahy 'ty lanitra ity, manavakavaka misafidy fihodirana. Tena tsy namana mihatsaravelatsihy, mpanavakavaka tsy mila hifandirana. Ny tena mitrongy vao homana lava, ny sasany anefa tsy mamboly voky. Ny an’ny tena dia ny hatsembohan-tava, kanefa na izany aza tsy mbola mahavoky. Mangarika loatra ry tara-masoandro, fa ny tena toa halany ny hafa dia tiany. Ny aty manerika ho hila isan'andro, kanefa ny any dia izay tiatiany. Mafy ady ve izahay sa sendra ady mafy, ka halan'ny volam-be mibaliaka? Ny anay mantsy anirotra no andevenam-paty, fa ny azy ireny, rafi-bato toa raitra. Ny anay ny anio rahampitso vao hita, fa ny azy kosa toa efa aman-taona. Ny anay aza anie ny an-tanana no ritra, raha sendra marary na ady mivoana. Mafy ady ve 'zahay e! Sa sendra ady mafy, ka tsy afa-manantena ny fitseran'ny hafa? Sa kosa ary hoe, no izahay ratsy fitafy, dia halan'ny maro, fa hoe tsy misasa?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fitiavana-mangina-raha-v
FITIAVANA MANGINARaha v
Hajanirina Mahavaly
FITIAVANA MANGINA Raha vao nitopy ny masoko Dia indro taratro ianao Nitsefotra aoka izany ny foko Raha nolalovanao Nandeha ny andro,nivadika ho volana Tsy afaka ato an-tsaiko 'zatsy endrikao Toy ny vao omaly ilay fotoana Nahitako 'zato hankantonao Tena tiako ianao ry zazavavy Saingy vahotra aho ny hanambara Ilay fitiavana efa tena latsam-paka Tiako hanoratana tantara Nofy ihany angamba ny ahy Satria aho tena tsy ho sahy Hamboraka ilay teny avy ao am-poko Hany ka velon-tsento sy toloko Raha mba fantatrao mantsy akia Ny fahoriana ao anatiko ao Miheritretritra ilay fitia Tsy voambarako aminao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/ny-anjara
Ny Anjara
ANDRIANAIVO PAUL
Aiza ny anjara izay hoentin'ity fiainana, Mampitoloko irery tsy misy hitarainana, Ny hoavy toa maloka manetry ty fanantenana, Mibahana ny saina tsy misy handrandraina... Aiza ny anjara toa sento sy alahelo, No injay vetson'ity foko mamerovero, Ny lasa manjary ratra ka mitoetra, Mandrotika ny fo mitady hitroatra... Aiza ny anjara fa toa miha alavitra ny fiainako, Ilay masoandro nandrandraina hamelona ny fanahiko, Toa simba ny fo sy ny saina maty manantena, Fa kay moa lavitra sy midezaka ilay fandresena?.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/rehefa-takariva-mamirifir
NY TAKARIVAKO
R.N Randriii
Rehefa takariva Mamirifiry ny hatsiaka Mamisavisa any ho any Ilay fitiavako mampitomany Raha teto anilako ianao ry tiako Dia izy no hany fifaliako Izy no fiainako Iny ilay miaritra ny tarainako Ndry....!!!! Raha alohan ny hatory iny aho Manina azy izany eritreritro izany Manontany tena hoe Mba mahatsiaro ahy ve izy any ho any? Lasalasa izany saina Toa nahatazana endrika mahavelonaina Feno tsy izy izany fo Eh!!...Nahita ilay tokan'ny fo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maro-ny-tsara
MARO NY TSARA
Fredy Jaofera
MARO NY TSARA Maro ny tsara vita hosodoko fa izy no voara itoeran'ny foko. Maro ny tsara mahasondriana fa izy no hara azo itokiana. Maro ny tsara tsy tambo isaina fa izy no anjara novinavinaina. Maro ny tsara mpanaitra fitia fa izy no ambara ho ahy ho doria.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nisy-fahagagana
NISY FAHAGAGANA…!
RRAG
NISY FAHAGAGANA…! Leo ny mitanisa, ny lasa sy ny etsetrany, ny aiko rako-pery. Leo ny mamisavisa, ny hoavy sy ny fetrany, rakofa-misitery. Leo ny mitaraina, saingy tsy hohenoina, ny vavako miteny. Leo ny hirifirin-tsaina, terena hovonoina, ‘ty foko manirery. Tena leo mitia, kanefa tsy tiana, ny atin’ny fanahiko. Tsy te hiara-dia, anaty vinavina, ny tena fa tsy sahiko. Nisy fahagagana, namboly faniriana, indrisy fa tsy tana. Fa saron-kajambana, miary fijaliana, ka dia tsy tamana. Leo ny monomonona, ninday ràtram-po, ny saiko fa efa kivy. Tsy te hiara-honona, ny fitiavan’olon-droa, ‘zay diso marikivy. Fa miandry fahagagana, tsy takatry ny saina, hamafa irony lasa. Saingy hadalana, no indro indray niaina, nanitatra ny ràtra. Dia nisy fahagagana, nitondra tara-bao, nitsilo ny aty fo. Nisy hafanana, namihina ahy sy ianao, ka indrao nitondra soa. Fa dia tsy naharitra, tsy tamana akory, fa vetivety dia tsy hita. Kinanjo indray nangarika, nitari-tsorisory, namarana ny antsika. Eh! Dia teo dia samy vita!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fitia-tsy-anjara
FITIA TSY ANJARA
Hajanirina Mahavaly
FITIA TSY ANJARA Tsy natao hiara-dia izaho sy ianao Ka voatery tsy maintsy hifandao Nosarahan'ny lahatra sy ny anjara Ka hifarana eto ny tantara Samy manan-tompo isika ankehitriny Lefy tamin'izany ilay fitiavana fahiny Fitiavana niredareda tokoa Kanefa nitondra ratram-po Angamba efa izao no Anjara Safidy ihany koa angaha Fiononana sisa no azo ambara Miantsa tononkalo eto am-parafara Aza malahelo na mandrotsaka tomany Fa izay ilay fiainana eto an-tany Mety ho ratsy , mety ho tsara Fa ny antsika FITIA TSY ANJARA.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-tsy-misy-tambiny
FITIA TSY MISY TAMBINY...
RRAG
Andao isika aloha hidera ny Tompo fa alahady ny andro e! FITIA TSY MISY TAMBINY... Nodiako tsy re, ny tambitambinao. Nodiako noviliana, ny lalan-janakao. Fe ankehitriny, masison'ny ota aho. Dia niverina indray aho, teo akaikinao. Tompo ô! Tena tsy mendrika aho. Tsy mendri-pamelana, avy aminao tsy toha. Tompo ô! Mifona aminao, fa tsy nahalala akory, izay tena soa. Niezaka nandika, tsy nisy hambahamba, ny sora-masinao, avy amin'ny mpaminany. Tompo ô! Ninia tsy nijery, eny tena jamba, fa nihevitra hatrany, fa ho ela eto an-tany. Ka raiso re ry Tompo, ny fifonam-poko, ilay efa te hiova, hiala hadalana. Hafa ihany mantsy, ny fitiavanao 'lay Tompo. Fitia tsy misy tambiny, sady tsisy akamakama!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/hafatra-ho-anny-mpankafihyzaitra
HAFATRA HO AN’NY MPANKAFIHY…
AbouNusrayni
HAFATRA HO AN’NY MPANKAFIHY…(zaitra) 1.Ilay fitiavana ny kanto, Ao an-poko hatry ny ela; Toa rindram-peo milanto, Mambabo ahy tsy mamela. 2.Efa ela no niandrasako, Aing’iray mahery vaika ; Hampirobo ity lahasako, Ka hitombo tsy hitaika. 3.Tsy mora fa dia mazana. Ny mamadika azy ireny; Ho toy ny voa nofafazana, Ho jinjaina zato heny. 4.Na dia eo ny faniriana, Ny mba ho sangany kokoa; Izay azo ifaliana, Sy iononako aloha. 5.Tena satry tsy afenina, Mba ho raisina daholo; Ka tsy misy ny haverina, Ireo kômandy manontolo. 6.Ary ianareo rehetra, Samy hahazo ny anjarany; Ef’izay no tarigetra, Fa ny hery misy farany. 7.Raha mbol’izaho irery; Tena tsy afaka manoatra; Ny fotoanako dia tery, Ka voatery ny misaotra. 8.Raha mbola tsy mahita, Namana mitovy tanjona; Voavetr’izay mba vita, Fa tsy sanatria mianjona. 23_10_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sentir-lamour
“SENTIR L'AMOUR”...
RRAG
Ialàna tsiny raha nandrafitra tononkalo amin'ny alalan'ny tenim-pirenena roa samihafa aho saingy kosa miezaka ny tsy manimba ny tenindrazana ka mitàna hatrany ny fototra niaingana. Hafa ihany ny tenindrazantsika! “SENTIR L'AMOUR”... Fa nahoana no hoe, tsy maintsy hankahala, kanefa ny fo, mba manana ny heviny? Ny saina maloto, no mampizarazara, ny tena avy eo, no milanja ny feriny. Heloka ve no mahatsapa fitiavana, raha miziriziry ny fo hankahala? Ny Noely toy izao no fametraham-pihavanana, andro ny Tompo, 'lay tsy manan-tsahala. "Sentir l'amour, est-il interdit", "si l'amour est toujours, au fond de ton cœur?" Ny fo ihany anefa, no mahay mitia, "En créant, ton propre bonheur!" "Sentir l'amour", anaty fandeferana, famaritra tantara, tsy misy avonavona, "Aimer et pardonner", no foto-paharetana, mametraka "soleil", hampisinda irony zavona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mpamosavy
MPAMOSAVY…
RRAG
MPAMOSAVY… Miahy mihitatra ny ferin’ny foko, mahita ny Gasy mitsitokotoko. Miady, mifamono, mifampidaroka fanoto, ny mpianakavy, mpiara-belona, mpiray foko! Manao mpamosavy malemy ny sasany, ka ny olon-tiany no norarafany. Fa mamy ny vola sy ny harena, dia amosaviany ny mpiray firenena. Maràtra ny foko ka tsy afa-miaina, raha nahalala, fa ny nama-mahatoky no tsy azo antenaina. Fa mamadi-pitokisana sy ‘reo dina natao, iny izy milaza, fa niova olom-baovao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/fiainana-an-tany-ny-fiai
FIAINANA AN-TANYNy fiai
Hajanirina Mahavaly
FIAINANA AN-TANY Ny fiainantsika eto an-tany Dia tena feno fahalovana Toa tsy nahitana mamy Fa mangidy foana hatrany Fiainana tsy ilaozan-tsento Tsy misaraka amin-dranomaso Tsy mba misy fitoniana Hany ka miteraka hakiviana Tsy mampilamin-tsaina Fa mila haningotr'aina Izay ilay fianana eto an-tany Mampirotsaka tomany Mino anefa aho fa indray andro any Mbola hisava ny aizina manarona ny tany Hisolo masoandro hitondra tara-pahazavana Hizara hafaliana tsy hanam-piafarana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fitia-ve
NY FITIA VE?
RRAG
NY FITIA VE? Fa ny fitia ve, ‘lay tsy mahay mitombina, ka ‘mbetika ery, dia avy eo miantsampy atsy? Efa hila ho folo, ireo nahazo sombiny, nisy niahy velona, dia tao ny niahy maty! Any izao tsy iray, ny nivadi-toky, namitaka ny tiany, dia namindra lasy. Tsy vitsy ihany koa, no nandrovi-boky, nifamatoran-dina, voarako-taratasy! Any koa tsy lavina, fa misy mitomany, nilaozan’ny malalany, niarahany aman-taona. Hoy itsy farany, hoe: “Efa lany mamy”, ka dia nisarahany, navelany hisaona! Fa ny fitia ve ‘zany, rivotra mifofo, tsy hita hotohanana, ka dia manjakazaka? Sa kosa, vary ratsy toto, rakofana ankofa, tsy zakan-tsahafa?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/bandy-akama-mitady-bandy-akama-milay
BANDY AKAMA MITADY, BANDY AKAMA MILAY...
AbouNusrayni
BANDY AKAMA MITADY, BANDY AKAMA MILAY... (entiko teny etoana) Na tsy dia nianatr'izahay de mba manam-pahiratana. Tsy miantehitr’ aman'olona na mafimafy ady. Manatsara izay amidy ny anay no fisandratana; Atao milay fotsin' n entana de tamy ny tinady. Ireo kaopy an-tsihoa, ny kaf'tera ambony fatana; De raikitra ny dia, mitety lalana mavitrika. Mandeha mahita raha, manatanjaka ny vatana. Reveko manja ny ahy ny asako na kely na dia bitika. Ny mason'olona mijery tsy ataoko mba ho sakana; Mampidi-bola ny ahy io ka tsy misy mampahory. Ny tsenako mandeha ary mih'mahazo vahana. Ka vao maika zah "korazy" ary tsy matoritory. Asiako fehiloha maintso mba ho entiko miatrana, Midika fah’tokisana ny ho aviko hamiratra Tena resy lahatra aho, ny hiteny anao mivantana; Aza dia miavon-tsy feno sao tsy hahita andro mihiratra. Rah toa enao tsy an'asa ka miandr’izay hitantana; Alao hery, aza kanosa, mba manaova toa ahy. Ny Tompo tsy hanampy rah’enao kamo mitsangana; Taraiky eo angeh enao rah’hoe ka menatra tsy sahy. Fanahy niainga tamina zandry kely mpivartra kafe teny an-dalana mandehandeha mitantana fatana misy kafetiera sy sihoa feno kaopy ao anatiny ary voahodidina boatin-dronono sy boatin-tsiramamy ary boatina sôja sy boatina kakaô mifatotra ety ivelany. Fanajàana be ho azy, ary pao-tsatroka. 10_23_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mhjb/tanora-sy-ny-fitiavana-i
TANORA SY NY FITIAVANAI
Hajanirina Mahavaly
TANORA SY NY FITIAVANA Inona no misy amin'izao fotoana izao Manal'azy fotsiny fa tsy misy hatao Aleo manao sipa ho fialam-boly Toy izay mamaky ny Baiboly Dia lasa izao, handeha hanao fitiavana Ny fomban'ny mpivady no natao andrakandrana Tsy mijanona amin'ny sipa iray fa hatao maromaro Ny tsy hainy anefa fa mampiditra angano Miaraka amin'olona efa manambady Nahazoazo taona sy efa zatra ady Ny fitiavam-bola angamba no manesika Ka amboamboarina hatramin'ny fihetsika Fahadisoam-panantenana ve No mahatonga ilay Fitia Sa miseho ho olon-dehibe Ka sahy milaza ho mahay mitia Mora tara amin'izay miresaka aminy Izay mandalo dia miraikitra Tsapa ho tia vao ihany koa re Ka manan-tsipa isaky ny toerana aleha Tsarovy anefa ry tanora namana Fa izany dia manimba fo,saina , vatana Manimba ny ho avy manontolo Ka ho zava-poana ny tontolo Mamotika ny hafa Manimba fiaraha-monina Manalabaraka tena Hany ka te hamono tena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manembona
MANEMBONA
Fredy Jaofera
MANEMBONA Manembona anao 'reo orako etoana ra' mba tao ho ao toa tsarotsaroana. Manembona anao ny zava-niarahana tsy vonon-kandao fa zary mibahana. Manembona anao ny sangy nahafaly toa niova ho lalao toy ny vao omaly. Manembona anao ny momba antsika tsaroana mihavao ao anaty mozika.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faingana-ianao
FAINGANA IANAO...
RRAG
FAINGANA IANAO... Tsinapako hirifiry, mandrotika ny foko, no mifamahofaho, anatin'ity tenako. Tinazako mitroatra, nefa tsy ampy hery, 'ty foko efa kivy, sy leo ny mamery. Faingàna ianao ry taona, aza miandry ela, satriko ho voadingana, ny lasa izay tavela. Tsy nentin-taona, maro nifandimby, indrindra moa fa, ireo 'zay tena mangidy! Dikao indray aloha, izato taona izato, taonan-tsedra mafy, nitondra ny natsatso, nitondra ràtra maro, tsy sitran'ny herim-po. Tongava taona vao, hanolotra 'zay soa! Fa raha mba mety anefa, dia aleo hitoetra, irony mamy indrindra, eny! Mety hanam-petra. Satria ireny manko, no nampitonitony, niezaka nitsabo, ny fo tsy mety tony! Faingàna ianao ry taona, miorena hanovo soa, ny ratsy lasa ireny, tsy haningotra ny fo, fa hamatotra ny hoavy, ho dingana tratrarina. Nahoana moa ry taona, nahoana no tsy hiarina?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/resaka-fitia
RESAKA FITIA...
RRAG
RESAKA FITIA... Vao resaka fitia dia, eo ny resa-po. Aza hadinoina, fa eo ihany koa, ny resaka alahelo, sy resa-pifaliana, itoeram-pahasambarana, sy ny fijaliana. Ny resaka fitia dia, resa-pifamatorana, eo amin'olon-droa, na maro tsy voasoratra. Resa-pahafahana, resa-tsakantsakana, sarotra takarina, fa toa maro sampana. Ny resaka fitia toa, misy fifanoherana, fototry ny fankahalana, tsy hay fahataperana. Saingy ny fitia, fifamatoram-po! Oay! Tena izany ve, izay tokoa moa? Ny resaka fitia hoy aho, toa resa-misitery, tontolon'ny fahafahana, tontolon-teritery. Tsy fantatra dia tiana, namana sakaiza. Olona akaiky fo dia, mety hifarana aiza?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toro
TORO
Fredy Jaofera
TORO Isan'andro dia fiainam-baovao ho an'ny olona hendry : masoandro mpandroaka raorao sy mpamoha fikendry.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ity-kasiketinao-ity-rahl-ah-
Ity kasiketinao ity RAHL ah !
AbouNusrayni
Ity kasiketinao ity RAHL ah ! Azafady angeh ry baina, andraso vetivety. Misy zavatra tsy aritro anaovako ankety; Ts’isy idirako ilay izy fa ny saiko no tsy mety Mahit’ anareo betsaka miondan-kasikety. Na andavanandro io na koa andro fety; Na ireo ratsy akanjo na ireo mba metimety Na ireo tsy dia malaza na ireo efa vedety Tsy mahazo aina m’hitsy rah tsy miondan-kasikety. Tsy masoando migaingaina, tsy rotsak’orana vaventy Na efa alina aza ny andro samy mbola mampirenty Na tanora miala sakana na efa retirety Dia tsy miala eny an-doha ny azy ilay kasikety. Rah’ esorina ve iny voninahitra mietry? No izay mikitik’azy dia voadaroka, voagety! Na ireo efa lava volo na ireo izay vao nihety. Dia toa azon-javatra misatro-kasikety… Izah tsy mpila vaniny ary tsy mpanao gazety Fa mba te hahay fotsiny fa maninona hoe letsy I Dago manontolo raha misy mahavoatety Dia tena inoako mihitsy feno mpiondan-kasikety 21_10_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/malagasy
MALAGASY…
RRAG
MALAGASY… Ny foko Malagasy, ny saiko Malagasy. Ny ràko, rà Malagasy! Nefa dia manotasota, ny fomba Malagasy. Izaho ve izany, mendrika ho Malagasy? Ny famadihana haratsiako, ny famangiana, tsy noraharahaiko! No indray moa efa navela, satria efa nilaozan’ny ela. Ny fihavanana hoseko, ny lovan-dRazana potehiko. Ny fahamarinana, natsangako ho fahavalo, ka ny ozona sy tody, no nahitako angano! Fay aho, tena fay! Ka aleoko mivalo, mifona aminao ry tanindrazako. Noho ‘reo hadalako maro, izay nataoko tamin’ny razako. Ny foko Malagasy, ny saiko Malagasy. Ny ràko, rà Malagasy! Ka na ho lefona, na ho tafondro amam-basy. Izaho Malagasy, ary ho faty Malagasy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-diaaza
NA DIA…AZA…!
RRAG
NA DIA…AZA…! Na dia naditra aza aho, tsy nilaozanao, tsy navelanao irery. Fa ianao mbola nijery! Na dia solafaka aza aho, toa nareninao, notananao ny tanako. Ka ianao no tena namako! Na dia nianjera aza aho, teo ianao, nihazona ny tenako. Ianao ry Neny no fonenako! Ka hiverina aho anio, hanalavitra tadio, hanaraka ny lalanao. Eny ry Neny, izao dieny izao! Ka ny lasa hovonoiko, raha mety mihitsy, tsy hotsaroako, fa hanova lalana aho, ho anao. Efa niova, ‘ty zanakao! Efa afaka ny takonana, teo imasoko ry Neny. Ho anao sy ny ankohonana, no hanovako izato jery. Na dia ho mafy aza ny eny, eny, ho anao ry Neny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-hika-farani-neny
‘TY HIAKA FARAN’I NENY…!
RRAG
‘TY HIAKA FARAN’I NENY…! Ry fasana akany, tsy mahandry izay safidy, nindaosinao, nalainao, ‘lay Reny miadidy, miezaka mamita, ny adidiny eto an-tany. Nentinao, nosintoninao, nindaosinao ho any! Ry fasana akany, fonenan’ny maty, norohitinao i Neny, noràtrainao ny anaty. ka aza omena tsiny, ny foko raha tsy hahatanty! ‘Ty hiaka faran’i Neny, tsy miala ato an-tsaiko. Ny sentosenton-dReny, toa famatotra ny aiko. Fanindron’ny atim-poko, dia ‘lay foko efa maràtra. Tampoka loatra ireny, sady kapoka tsy nahazatra! Ry fasana akany, tsy mahay miantra. Ry fasan-tany bongo, fonenanay mahantra. Nahoana ary ianao, no nisetra ny safidy? Ny fahazaranao dia, toa efa mahakivy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-toko
HO TOKO…
RRAG
HO TOKO… Nandrafitra ianao, andinin-ditera, ho fehezanteny, ambaràm-pitia! Ny tonon’ireny tsy nentina nidera, ‘reo zavatra efanao, sy vitanao tety. Fa narindranao, ho famafa alahelo, ho an’irony trotraka, reraky ny ady. Kanefa ny lasany, dia mbola io mihelo, toa tsy mihetsika, toy ny voafato-tady. Namafa ianao, alahelo nihiboka, namery maimbo, tao anaty ràtra. Ireo ainga sy feo, renao miritsoka, no nampalefaka, ‘ty sedra mahazatra. Dia toko sy andininy, no injay nisy feo, nandrotsy, ny fon’ireo resin’ny ady. Ay moa ianao koa ka isan’izy ireo, lavo sy potraka, ka nianjera tany an-kady! Etsy! Mangina dia aza mitomany, f’irony soratrao dia avela hitoetra. Ho toko izy ireny, handefy izay omaly, mbola minia ihany, ny misetrasetra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sary
SARY…
RRAG
SARY… Sisasisan-tsary, no navela namantarako, izay Reniko izay. Sary efa tontatonta, no sady tsy miloko, no misy maimay! Raha banjiniko akaiky, dia toa tanoranora, ny endri-mitoetra, amin’izay sary izay. Saingy tsy mba nanan’ora, fa avy dia any ankoatra, no akanin-dReninay! Sary no hany fizaràko, ny olam-piainako, saingy tsy mamaly, izay mba fitarainako. Indray aza mampitombo, ny fanaintainako, mampihombo ny sedra, sy ny fery zary fiainako! Sary naningotra, nanamafy ny aretiko. Saingy manan-danja, ka tsy maintsy hoentiko, hanaraka ahy amin’ny lalana ombako. Satria hantenaiko, ho fampitonian’ny fanahiko! Sary mangina, no nitoetra ho namako, nefa iresahako, rehefa aho voafingana. Io sary io, ‘lay foto-pahavelomako, tahiry tsy maty, tsy avelako ho ringana. Neny ô! Tsy haiko akory izay ho atao, dia aleoko mamihina, ity sarinao. Fa izy no tady, ifamatorantsika, amin’ny fiainana eto, sy izay any tsy hita.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foko
NY FOKO…
RRAG
NY FOKO… Ny masoko jamba, fa ny foko mahita, misento, ka faly mahatazana anao! Ny kilema ananako, tsisy mpahita, ka ny foko mitepo, vao akaikinao! Ny masoko no jamba, fa tsy mba ny foko. Ianao ‘lay tiako, no zary tompoiko! Ekeko hoe mainty, ny lokom-pitiavako, saingy izay ataonao, dia hihafiako rahavako! Ny ranomasoko tsisy, fa toa zary maina. Ny fery anatiko, manindrona aina! Tsy haiko hoe iza, no afaka hitarainako? Dia aleoko mihafy, hampitony ny fisainako. Ny fery ao anatiko, mihitatra hatrany. Ny ranomasoko, tsisy fa lany. Aleoko mangina, tsy hihombon’ny ràtra. Ny zoga lanjaiko, toa fery mahazatra. Ny masoko jamba, ny foko mahita. Mitsapa mangina, ny endrikao sariaka! Endrika maneho, fitia lalim-paka. Mientana am-poko, ka maka laka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-sarisary
ILAY SARISARY…!
RRAG
ILAY SARISARY…! Ay tokoa moa izany ny fitia toy ny anana! Mora hafindra dia mora hananana. Mora malazo dia mora mamony. Ny ràtran’ny sasany aza toa mora mitony. Ny fitia hoy ianao toy ny ranomandry. Indraindray tafafoha dia indraindray tafandry. Imbetika koa dia hita mitsonika. Samy hafa ny ataon’ny fo sy lazain’ny molotra. Sarisary tokoa ve ny fitia ao anaty, ka rivo-baovao no mamono azy ho faty? Toa tsy mahazaka akory ny sedra mandalo, dia mainka hifindra ka mora hatakalo. Ny toky amin’izany dia mipatrapatraka, toy irony kabary efa toa tsara masaka, vita tsianjery hatramin’ny faingo. Ny fitiavana tokoa toa tena baraingo. Ao anaty fitia aloha misy mijaly. Tsy lavina koa fa mba misy mifaly. Moa sarisary tokoa ve izany ny fitia? Tomefy hafetsena sy fihatsarambelatsihy?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ry-zalahy-sy-ny-sasany
Ry zalahy sy ny sasany
raozigasy
Ry zalahy sy ny sasany Ry zalahy raha vao mahazo seza ambonimbony Dia hoe inona ny baoritra ananan’itony Nefa avy eo dia maika, mamangy tsy miera Efa tafa ialahy izao, fa « ahoana ny sera » Ry zalahy raha avy an-dafy takiana voan-dalana Na hoe mametraha kely hanamboarana ny lalana Indraindray aza ny akanjo, an-koditra tafiana Mbola terena hoe « aty itony ariana » Ny sasany koa moa amin’izay etsy andaniny Manararaotra mafy izay hitany hohaniny Ny tenany aloha, izay ny hafa vao jerena Izaho mbola mahia, tsy maintsy mihinan-kena Ny sasany milaza izay tiany holazaina Ny ambony enjehina, ny ambany moa latsaina Hoe ny omby raha mahia tsy milelaka ny namany Ny manana koa hono, ny ory tsy mba namany Ry zalahy sy ny sasany ange dia izany foana Ny voky tsy maintsy hoe sarangotin’ireo noana Raha tena noana moa, mety hoe tsy maninona Fa ireo kamo be tenda no maro an’isa tsinona Dia maninona anefa raha miavotra ho tafa Fa tsy mijapijapy ny fiainan’ny hafa Izay ry zalahy fa mazava be ny teny a ! Zarao amin’ny sasany amin’izay koa reny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rivo-piovana
RIVO-PIOVANA
Fredy Jaofera
RIVO-PIOVANA Rivo-piovana no misoko ery ka nahalalana ny ora tena fy. Rivo-piovana lavi-pijaliana tsy hay ialana rehefa nirina. Rivo-piovana feno be safidy misy hafanana tena sarobidy. Rivo-piovana ela vao nisafo misy fanajana toa mitafotafo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsaroako-tokoa-ireny
TSAROAKO TOKOA IRENY…!
RRAG
TSAROAKO TOKOA IRENY…! Tsaroako ireny, na dia tsy hampatsiahivina ahy, ilay ianao niteny, tamin-kalemem-panahy, fa handray ny fitiavako, hanaiky ny ho firavako, eny! Tsaroako ireny! Tsaroako ireny, na modianao tsy tsaroana. Tamin’ireny ny foko, no nahare voadona, noho ny hadalana, izay nataonao. Tsaroako ireny, tsaroako hatramin’izao! Tsaroako ireny, na ràtram-po mitoetra aza, feriko iny, na dia lazainao ho kapo-jaza. Ka hotsaroako eny foana, na mety haningotra ny aiko, hotadidiako isan-taona, na dia hanita-perin-tsaiko. Tsaroako ireny, tsy mety maty na vonoina, toa sora-drà, mamatotra ny fo misaona. Mitampisaka amin’ny vintako, ‘ty anjara entim-piainana. Tsaroako ireny, na dia tahirim-panaintainana! Ka tsy hofafako am-poko, na manolatra tsy tanty. Tsy mitady aho! Tsy mitady izay hoe ampy, fa kosa mitahiry, ferim-po navelan’ny ela. Tsaroako ireny, na dia fototra halemena! Ka na afo enti-mandoro, na horotehina ho rotika, dia ny foko mbola mino, fa tsy fitia mora potika. Ka hotsaroako eny foana, na ho fasan’ny aiko aza. Hotehiriziko eny foana, ary harovako tsy ho rava. Eny, tsaroako ireny, dia ‘lay ianao niteny, fa tena tia ahy, babon’ny atin’ny fanahy. Tsaroako ireny, dia hotsaroako eny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-namana
NY NAMANA…!
RRAG
NY NAMANA…! Ny namana dia tokana, izay tsy manadino, masoandro iray miposaka, taratra fanilo, tsy mivadi-toky, izay naloa-bava. Ny namana tsy iza? Fa ny taratry ny mazava! Ny namana dia raozy, toy ‘rony an-jaridaina. Misy tsara paozy, saingy! Zavonin’ny maraina. Tsy menatra ny hivadika, hivadi-pitokisana, ny namana mpamadika, tsy mendri-kitokisana. Ny namana dia misy, toy ny volamena, saingy toa indrisy, zary fanantena, nofinofy ihany, fa tsy ho tena izy. Asa, any an-danitra any, hisy iray tsy hangidy?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/antaranoana
ANTARANOANA
Fredy Jaofera
ANTARANOANA Antaranoana ny fitiavako anao, na ho moana 'zao rehetra izao. Antaranoana ny voady nomena, na ho foana ny foko nekena. Antaranoana ny hiray fanahy, na ho noana 'reo izay nanahy. Antaranoana ny hifampitantana, na ahoana, matoa re soratana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fampitaha-sy-fanoharana
FAMPITAHA SY FANOHARANA…
RRAG
Aingam-panahy nasidintsidin’ny zavatra hita teny amin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina iray eto Antananarivo no nivoahan’ity tononkalo ity. Nisy zaza kambana roalahy teraka ny 18 Oktôbra 2019 teo. Marihana fa valo volana tao an-kibo izy ireo. Na izany aza anefa dia salama tsara! Ny anaran’izy ireo dia fantatra saingy ho fanajana ny hasin’ny zony dia nomena ireo anarana amin’ny lohateny ireo izy roalahy izay kambana tsy mitovy (I….. & D…….)! FAMPITAHA SY FANOHARANA… Mitovy tsy sahala, iray fa toa tsy tokana. Ny aina samihafa, fa ny rà no iombonana. Ny endri-tsy mitovy, fa saingy iray fonosana. Ary ny anaranao dia, ho anao manokana! Fampitaha! Fitaratra ho heverina, ho singam-pamaritana. Entina mamaritra, fa nitsikin’ny vintana. Toky sy hitokian’ ireo izay nipoirana! Fampitaha ny dingana, raha eny am-pisidinana. Tsy zandry na hoe zoky, ka hofehezin-dalana. Fa ‘lay toavim-bava, arahin-kery hananana. Tsy ilay hilanja vesatra, na koa handaha-teny. F’ilay manaja tena, mandefitra aman-kery. Fanoharana! Mahatsapa ny ho fỳ, fa saingy tsy hiebo. Tsy lafatra amin-toetra, fa tsy hanaiky ny ho revon’ ny sarisarim-piainana, mamatotra ny maso. Io ‘lay arofanina, tsy tohitry ny ankaso! Manaiky izay voafaritra, fa tsy miravi-tanana. Hitraka na dia lavo, eny am-pandehanana! Hilefitra fa saingy, tsy hanaiky ny ho tohatra. Na izany aza, mba manam-po mangoraka! Fampitaha sy Fanoharana! Iray kanefa roa. Mifamatotra aman’aina, ary miray fo. Mety tsy hitovy toetra, fa hiray saina. Tsy hisy afaka hiteny hoe: “Tsy mamy ilay miaina!”