url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tanora
TANORA…
RRAG
Indro tononkalo iray zary faneva sy filamatra nentiko nitantanana ny fikambanana (Club UNESCO-FTMM Moramanga). TANORA… Tanora mifampitaiza, sy mieza-mifanoro. Mivondrona iray, mba hifanolokolo! Miray, mihavana, sady mifanaja. Ny zony ihany koa dia, harena manan-danja! Firosoana, firaisankina, foto-pandresena, et...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tena-ianao
TENA IANAO…!
RRAG
TENA IANAO…! Ianao ‘lay zazavavy, kanto sy bikàna, tsy fantatro anarana, no injay nanaitra ahy. ‘Lay endrikao mifaly, ny tsiky mahatamana, no mety ho fandaharana, hiraisan’ny fanahy. Tsotra ianao ka tsotra, sariaka dia sariaka, mitsiky tsy miavona, toy ny mahalala ahy. Ny fitafinao tsotsotra, mamoaka ireto bika,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toa-tsaroako-ireny
TOA TSAROAKO IRENY…
RRAG
TOA TSAROAKO IRENY… Nangina tampoka ny tany, i Neny reko nitomany, fa nianjera irery i Antsa, tsy nisy afaka nanohana, tsaroako ireny, toa tsaroako hatramin’izao, fa tsy nisy vava iray nahateny, raha vao lavo izato ianao. Tsaroako ireny, toa mitamberina ao anatiko, ry Antsakely, tsaroako ireny fa tsy tantiko, ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/namana-aho
NAMANA AHO!
RRAG
NAMANA AHO! Meva! “Andry, fa mbola inona indray, no tadiavinao? Fa angaha tsy ampy anao, izao fijaliako izao, ‘zay noho ianao ihany?” Meva, ialako tsiny re, raha toa ka ny hadalako, no nandrava ireny, fihavanantsika. Ialako tsiny koa, raha toa ka noho izaho, no nahatonga anao, hiaina ity hatsiaka. --Mifamihina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/hirindrina-mandrakizay
HIRINDRINA AO AM-PASANA
Joda Razakasoa
Ho fahatsiarovana an'i Zoky be FAFAH HIRINDRINA AO AM-PASANA... Eto am-pandrenesana ny rivotra mandalo... no hitarainan'ny zava-kanto masina, injany mitamberina irony kalokalo nananatra,nampiarina ny fon'ireo nitrikasina! fa lasana ianao...lasana niampita!! handao mandrakizay,hiaina paradisa... Mangina ny tonto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-ho-nofy
TIAKO HO NOFY…
RRAG
TIAKO HO NOFY… Mba tiako ho nofy fotsiny, ilay ianao nandao, namela ahy irery, tan-tokantranontsika! Mba tiako ho nofy fotsiny, ilay ‘zaho nitalaho, nanganohano jery, handravonana ny antsika. Saingy toa tsy nofy, fa tena lasa ianao, nangorona ny entana, dia tsy nanao veloma. Namonjy akany hafa, misy iray vaovao,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-bingobingo
FO BINGOBINGO…
RRAG
FO BINGOBINGO… Vinanio kely hoe milalao baolina, eny an-kianjan’ny fiainana ianao. Ka i Fo no safidy, nataonao gaolina, hiandry ny tsato-by, voatokana ho anao. I Fo izany izao, no aty ankavia, dia i Saina indray, no ery ankavanana. Samy vonona tsara, ny mpiandry tsato-by, efa nihomana koa, fa samy efa havanana....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/isaorako
ISAORAKO…
RRAG
ISAORAKO… Moa tsy mendrika ny omeko, sy mendrika hotolorako, haja sy dera, ianao ‘lay avo indrindra? Izay ianao ‘lay Raiko, hany mba nanolotra, ny zavatra ilaiko, tsy teny antendro-molotra. Ianao ‘zao no nanajary, ny taniko ry Ray. Ianao ‘lay Zanahary, mbola mitahy anay. Mitahy ity tany mendrika, sary ton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/f.r.a/nofy-ratsy
nofy ratsy
F.R.A
Maizina ny tany Ny tavany efa loa Maizina ny volana Ny fitafiny efa rovitra Fahanginana no reko any ho any Dia izany avokoa Fa nankaiza ny olona? No manosika ahy hiforitra Tampoka teo indray misy feo Maty mitsangana Reko mihikika tsy misy toy izany Efa rotidrotika No indro mitsivalana Hoy aho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-ravonison/tsetsatsetsa-tsy-aritra
Tsetsatsetsa tsy aritra
Tahina Ravonison
Tsy voatery izaho sy ianao amin'ny fiainana, ny safidy no mamaritra Tsy voatery hoy aho, henoy ange, ireto misy tsetsatsesa tsy aritra Tsy voatery hamorona na handainga raha manafina ny marina Tsy voatery fa tia, dia manaiky hizara, hamonjy sy hanarina Tsy fiadian-kevitra ny devoly, fa fanohitra tsy misy fepetra T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-ravonison/fanetren-tena
Fanetren-tena
Tahina Ravonison
Endrey, lehibe ny Mpahary, mahagaga loatra ny planiny Izao tontolo izao tsy maintsy hiankohoka sy hanaiky Azy Ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra eo aminy Dia ny mpanjaka, ny firenen-drehetra, eny ny any an-danitra aza Ao aminy no misy fiainana, voninahitra ary harena Omeny anao malalany, manaiky sy mamaly ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/tara-loatra
TARA LOATRA
Timoty Josto
TARA LOATRA Dada a,tara loatra ianao Fa i Neny efa nandao Noho ireny ditranao Herinandro lasa izay No lasa i Mamanay Nandao anay tsy satry Nalevina fa maty Nalefanay ny filazana Anonjam-peo sy Anonjan-tsary Nefa ianao toa tsy mba tamy Fa variana tany ho any Tara loatra ianao vao nody Tara ireto fanafody I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nofy-rarana
NOFY RARANA
Fredy Jaofera
NOFY RARANA Nofy rarana ny hitia an'iny ka zary nialana, na mbola tiany. Nofy rarana ny hiombim-po ka izao tsy tana ny zava-manjo ! Nofy rarana ny hiray saina ka mihanahana fa noratraina. Nofy rarana ny hifanaraka ka aza igagana ra' tafasaraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-ravonison/ekipa-mpiray-fanantenana
Ekipa mpiray fanantenana
Tahina Ravonison
Ao amin’ny Tompo dia mifanompo fa tsy mifanopa tsy mifanoto mifanoro sy mifanohana fa tsy mifanosika tsy mifanolana mifanafaka sy mifangataka fa tsy mifangalatra tsy mifangarika mifanampy sy mifanitsy fa tsy mifanary ary tsy mifanilika mifampiaro sy mifampizara fa tsy mifampijaly tsy mifampigafy mifamporisika, mif...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/peratra-indreo-ary-fa-t
Peratra
raozigasy
Peratra Indreo ary fa tonga, ny mpitaky trosa Lehilahy ranjanana, tsy mba osaosa Sy tovovavy roa samy tsy ampy lamba No nanao be fihavy tsy mba nihambahamba Aiza ilay rabaina tsy mahazaka toaka Mbola ato ve sa efa nivoaka Ity ny palitaony mbola adino tany Ny volanay koa mbola any aminy any Milamina aloha ianar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maratra-indray
MARATRA INDRAY…
RRAG
MARATRA INDRAY… Misento mangina anaty haizin-kitroka, ity fo tsy tony, efa hila ho rotika. Fa tsy tody hazavana, misera-maraina, nokakasan’ny lasa ka velon-taraina! Misento mangina ‘ty fo resi-tory, voatsindrona mafy ny aty ka ory. Mandrotika mafy ‘ty fery efa maina, tsy hahazo rariny fa mainka holatsaina! Mis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-farany
TENY FARANY…
RRAG
TENY FARANY… Noraisinao ny entanao, dia nofafanao ny ranomasoko. Notopazanao tsiky aho, ka indro ianao nandao. Nandao ‘ty akanim-pahazazana, nahafantaranao fiainana. Nianaranao namindra, na nody vovoka aza ny fitarainana, fangatahanao fitia, herinao anaty haizina. Tsy namelanao niady irery, niady irery anaty maiz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/f.r.a/fasako
fasako
F.R.A
Fasako Dongon-tany ambanin-drangolahy Izay nampitomany sy nampiahiahy Io no itoerako rahatrizay Io no fonenako mandrakizay Toera-mangina iny fasana iny Itoeran’ny vinan’ ilay mpivahiny Tsy azo idifiana nefa toeran’ avelo Tobin’ny fahoriana indrindra ny alahelo Mitana ireo embona sy ireo tsiahy Entin’ny velona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/meteza-ho-iraka-tsara
METEZA HO IRAKA TSARA…
AbouNusrayni
METEZA HO IRAKA TSARA… O serviteur de Dieu, qu’as-tu donc fais sur la Terre ! On t’y a envoyé pour témoigner de la Miséricorde! Mais toi, t’as été méchant, bon amateur de guéguerre. Au lieu de répandre la bonté, t’as semé la discorde ? O ry mpanompon’ilay Nahary, inona no nataonao teto an-Tany ! Nirahina ianao mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/midera-anao
MIDERA ANAO…
RRAG
MIDERA ANAO… Midera raha midera, ‘ty fo tsy mety lefy, niezaha-nofefena, nazera mba hietry. Midera raha midera, ny saina ’zay maràtra, novelesina tsy ankiera, ho vesatra sy ho latsa. Ny fahendrena anananao, lovanao sy harena soa, noderainy hiseho vahoaka, mba hahazoany tombontsoa. Ka tsy hampihemotr’azy ireo, ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/natahotra
Natahotra
raozigasy
Natahotra aho, matahotra Vao hitako ianao, dia natahotra aho hitafa Asa tsy haiko mihitsy, izaho lasa hafahafa Te hitsoaka,te hanatona, te hirifatra hilefa Sady manontany tena hoe : maninona anefa Vao nihaona isika, dia natahotra aho ny hiresaka Ny lohako toa nihaboda, ny foko moa mila hitresaka Ny saiko valalan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toy-ny-mahazatra
TOY NY MAHAZATRA
Fredy Jaofera
TOY NY MAHAZATRA Tairiko ny ainga tsy afa-kitsahatra ka hivadika bainga toy ny mahazatra. Raisiko ny penina fa mikiky ny ratra tsy haiko tenenina toy ny mahazatra. Entiko ny soratra fa efa mahatratra maro ny vokatra toy ny mahazatra. Vohaiko ny diary fa ny mamahatra, mamiko an-tsary toy ny mahazatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indro-mantsy
INDRO MANTSY…
RRAG
INDRO MANTSY… Indro mantsy ilay tantara, nafenina ho misitery. Nomena hanana anjara, hanafaka ny teritery. Nofohaziny, nozahany, ireo tantara manan-jina! Nokarohany tsy namelany, ka nodorany ho kila. Raha boky ianao efa lavenona, fa soa ianao amboaram-po. Raha teny ianao mampanenina, fa dia levona sy lo! L...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nisaka-lava-poza
NISAKA LAVA-POZA…
RRAG
NISAKA LAVA-POZA… Atao nitady nahita kanefa, marary ihany kay ‘lay voaketoka! Sendra fitia tsy nahay niantefa, tsy afa-niaina fa avy dia sempotra. Voatsindrona mafy moa ny aty fanahy, ka niniana ihany koa tsy ho voa fanindroa! Hitia izany hiahotra, hankahala tsy sahy, tsy mbola ho voadona ihany ve ny fo? Mand...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza
IZA?
RRAG
IZA? Iza amintsika no hoe sahy miteny, fa ny sisa fananany dia mbola homeny, ho tolo-pitiavana ho an’ny mijaly, izay fadiranovana maty mosary? Iza ny olona hahafoy ny ainy, ho an’ny taniny izay andrandrainy, sy ho an’ny tiany ilay nofinidiny, ary ho an’ny fony hany safidiny? Tsy nisy, tsy misy, ary mety tsy h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/namanny-vadiko
NAMAN’NY VADIKO…
RRAG
NAMAN’NY VADIKO… Anjely tokoa rehefa tazanina, manjelatra ery ny haingo an-tava. Ny fo sy ny saiko aza, izany toa manina, dia manofinofy anao lava! Sariaka ianao ka dia zary miangola, toa hoe manambara fitia ao anaty. Indraindray miangoty miary dola. Marina mafy ity raha ho tanty! Injay ity tsiky e! Milaza fit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-boky
NY BOKY
Fredy Jaofera
NY BOKY Ny boky no manefy 'tony saina haranitra hahaizanao mandrefy ny azo ka ho hanitra. Ny boky no manilo haneho fahagagana tsy ho aizina sy tsilo ny lalam-pahalalana. Ny boky no manova ny hoavim-pirenena ho lafo toy ny lova sy toto-pahendrena. Ny boky no manoro ny lalam-pivoarana tsy mba afa-mikoro f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/fisaka-ny-marina
FISAKA NY MARINA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
FISAKA NY MARINA Aza ataonao mahagaga! raha ny tena marina no zary tsy tafarina aza ataonao mampivava! raha ny marina hifikirana no zary mitongilana aza ataonao mahaketraka! raha ny marina andrandraina no sarotra antenaina aza atao mampitofezaka! raha ny lainga tsara lahatra no mampandresy ireo mpangalatra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ara-bakiteny
ARA-BAKITENY…
RRAG
ARA-BAKITENY… Ny omby mahia lahy tsy holelafin’ny namany. Mazàna io dia re avy eny am-bavany! Dia nailikilika fa hoe sakaizan’ny lasa, ny mamy niarahana aza toa efa voafafa. Mangozohozo tokoa moa ny any, dia lasa tsy namana avy hatrany! Tsy manana arapaka sy izay ho atelina, dia irariana koa tsy ho naman’ny vel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toa-taviny-sy-volony
TOA TAVINY SY VOLONY…
RRAG
TOA TAVINY SY VOLONY… Dia nieza-nitady aho, ‘lay tena lafatra. Narahako mihitsy ilay teny hoe fatratra, fanao rehefa handoka, ny tovovavy tsara. Tsy nojerena intsony ‘zay tolotr’anjara! Nahita tokoa an‘ity anjely miavaka, dia nitampi-maso ka nianjera tan-davaka. Nanaraka ambokony ny fihevitry ny sainy, dia ‘lay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofy-tsy-toa
NOFY TSY TO…
RRAG
NOFY TSY TO… Nametraka tanjona tiana hokendrena, ny fo ka namaritra ireo vinavina. Niato nangina sy nandini-tena, ahafaha-manefa ny faniriana. Noraisina an-tsoratra ireo manan-danja. Dia nisosa ny penina nitanisa ireny. Teny amin’ny fahafolo vao kay nisy banga! Hadino sy latsaka teny ho eny! Tsy inona izany fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ny-nampisy-anao-ety
NY NAMPISY ANAO ETY
Fidy Art Niaina
Moa mba azonao visaina an'eritreritra ny ady miandry anao? Mantsy, sao ianao mihevitra fa nateraka ho lafatra Tsia! Tsarovy leitsy fa feno faharatsiana izao tontolo izao Tsy maintsy eo misy olana f'aza manantena ny hilamina fatratra Nefa kosa, handresy ialahy raha miaraka amin'ilay Ray Hisava mora foana ireo haizi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jp/ianareo-poeta
IANAREO POETA
JP
Ianareo no manentana ny mpamaky, Hanainga herim-po handiavana ny fiainana, Hitsangana hiady,hitolona ka hitaky, Ny rariny afenina,ny hitsiny itarainana. Ianareo koa no hitondra anay mpamaky, Hanainga ny nofy ho eny an'habakabaka, Hampitempo ny fo,hiaina sy hamaky, Ilay fitiavana lafatra, fitiavana miavaka. Iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/bitsika-fitia
BITSIKA FITIA…!
RRAG
BITSIKA FITIA…! Mba manontany anao aho, ry foko raha mba mety. Moa ve ‘reo ràtranao, hisinda vetivety? Toa maro loatra mantsy, ‘ty fery entinao. Nefa mbola miantsampy, any aminy ianao! Tsy ampy anao ny fery, nentiny ho anao, no mbola teritery, no ‘ndeha iainanao? Mba manontany anao aho, ry foko tena tia. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ekena
EKENA
Fredy Jaofera
EKENA Ekena ny hifampitantana hanjohy ny lalam-pitiavana no tsoriko, sady mivantana hisian'ny tena fahasoavana. Ekena ny hifampitsimbina hanefy ny oram-piadanana tadiavina foana hivimbina ny mamy izay nosakanana. Ekena ny hipampirakotra hanova ny hatsiaka misoko na ny dradraina ho sarotra hiainana an'ilay v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izay-ataonay-eny-ambony-fandriana
IZAY ATAONAY ENY AMBONY FANDRIANA
RRAG
IZAY ATAONAY ENY AMBONY FANDRIANA Ianao ‘ngaha adala ka sahy manontany? Mametraka lava ‘ty fanontaniana. Ho inonao moa ‘zay ataonay any? No dia toa saro-piaro tahaka ny hoe olon-tiana! Izay ataonay eny ambony fandriana, moa tsy anay dia anay ihany? Ka maninona loatra no dia ampijaliana, ‘ty sainao ny hahalala i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/harena-tsisy-dikany
HARENA TSISY DIKANY…
RRAG
HARENA TSISY DIKANY… Efa voafatony ny saina, lasany ny fo, navelany ho savolaina, hianjera fanindroa. Notohofany alahelo, ny fonao ‘lay nitaraina, ka lasa nankaleo, ‘ty harena tsy dia ilaina. Tsy avelany hiteny, nefa tsy tampenam-bava. Tsy avelany hihaino, na tsy marenina aza. Dia novoleny ho ady, irony tafantsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mba-fantatrao-angamba
RAHA MBA FANTATRAO ANGAMBA…
RRAG
RAHA MBA FANTATRAO ANGAMBA… Mievotrevotra ao anatiko, toa mandrovitra ny nofoko. Mitroatroatra toa tsy tantiko, ny hovitrovitry ny foko! Manjavozavo toa tsy haiko, hoe inona ary no ilaiko? Saingy tsy mba fantatrao, tsy hotsinapanao akory, hoe misy fitia anaty ao, ‘lay vao tsy ela resi-tory. Dia tinaitra izat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-toa-ka
RAHA TOA KA…
RRAG
RAHA TOA KA… Raha misy manontany, ny momba ny fiainako, dia aza omena valiny, fa ataovy hoe tsy haiko! Raha manadihady anao, irony te hamandrika, ka mieza-mitalaho, ny hamantatra ny antsika! Dia ‘ty lazao aminy, hoe: “Izaho no tiany, tokana sy maminy, raha mbola eto an-tany”. Raha toa ka misy olona, tsy fantatra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nangala-pihinana
NANGALA-PIHINANA…
RRAG
NANGALA-PIHINANA… Tsy teo Madama dia nitsaingoka, nakanaka tany ivelany. Avy hatrany dia nipaingotra, tsy nihevitra ny tenany! Ity Rangahy efa aman-jafy, ka zary nody tsy nitafy. Nifandrohitan’iry kala, fa tsy nahefa vola hono. Nangala-pihinan-tsisy drala, ka rehefa nody maty vono! Tsy nahaloa volan’olona, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsanta
TSANTA
Fredy Jaofera
TSANTA Ny tsantan'ny fahakambotiana no hirako indray eto am-bava raha injao re ka mikoriana 'reo ranomaso eto an-tava ! Ny tsantan'ny fahatsiarovana an'ireo sedra izay nisesisesy ka imbetsaka nahatorovana na indraindray aza naharesy. Ny tsantan'ny fahabangana tamin'zay fiainana an-tany mbola tsy mora novahan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-ravonison/diso-fanantenana-kivy-ar
Aza matahotra
Tahina Ravonison
Diso fanantenana, kivy ary reraka ve ianao? Mahatsapa tena ho very, tsisy intsony ny azo atao? Aza matahotra fa henoy ny Teny Soa mahafaly izao Raiso anio Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy anao Ny aretina, ny olana isankarazany koa mety hiseho Indraindray toa mila tsy ho tanty, eny tena mankaleo Ento eo amin'ny Tompo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-mantsy-ianao
TIAKO MANTSY IANAO…
RRAG
TIAKO MANTSY IANAO… Na dia ilavitra aza ianao, tsy mahasaraka ny foko, ny hiantsampy eny aminao, ka ny fitia no ampofoiko, ‘zay fitia am-ponao ao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/nitia-vato-aho
NITIA VATO AHO
NY HERIMAR
NITIA VATO AHO Nitia vato aho ka sendra izay mafy, Sendra zava-boary tsy manam-po akory. Tonga nitalaho, Nandeha nihafihafy Hay nangata-bonjy tamin'osy resin-tory. Nitia vato aho kanefa atody ihany, Nitady mpisompatra ny fiainam-pitia; Resy ka ivavaho, Migoka ny tomany Sendra fo tsy mangoraka efa very dia. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rarana
VOARARA
Fredy Jaofera
VOARARA Voankazo voarara no mamy ka ny vazo 'zay tsara no tamy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/faniriko-ny-hisambaranao
FANIRIKO NY HISAMBARANAO
NY HERIMAR
FANIRIKO NY HISAMBARANAO Raha ny fijaliako no hasambaranao, Avadiho 'reo fifaliako hampientana fonao. Raha mahita ahy malahelo no fahasambaranao, Eny hilaozako ny avelo Hafoiko izay atao. Raha izaho misitasitaka no hasambaranao, Ny foko izay namitsaka hiezaka handao. Raha izaho mamoy fo no hasambaranao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rafini-neny
RAFIN’I NENY…!
RRAG
RAFIN’I NENY…! Hay ve ka namana tena tsy foy, ity nanavatsava nandrava ny efa. Ka saika ny ain’i Neny no nafoy, fa izy sy i Dada dia lasa nilefa! Hay moa ka ilay niara-nizara, ny valala tokana hany tan-tanana. Kanefa ankehitriny iaraha-mahalala, fa izy no nandrava ilay fiadanana! Hay koa moa izany ka ‘lay nato...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aza-latsaina
AZA LATSAINA…!
RRAG
AZA LATSAINA…! Aza latsaina amin’ny foko voaràtra aho. Na koa hoe esoina amin’ny hikan-talaho! Raha diso tia an’ilay nantenaiko, ka voatsindrona hatramin’ny atin’ny saiko! Aza halavirina aho r’ilay nofinidiko. Raiso ry tiako fa ianao no safidiko. Tokana am-poko tsy maty vonoina, ny fitiavako anao mbola hananako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-asa-fampianarana
NY ASA FAMPIANARANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ny asa fampianarana, asa iray tena miavaka; tsy mitandro hasasarana, tsy manavakavaka. Ny asa fampianarana, dia asa iray mihaja; misahana ny fanabeazana, na olon-tsotra na manan-kaja. Ny asa fampianarana, asa mila fandavan-tena; ambara tsy am-pihambana, mamolavola olom-pirenena. Ny asa fampianarana, toy ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-sendra-lasa
TENY SENDRA LASA…!
RRAG
TENY SENDRA LASA…! Sendra ianao nisangy, niresaka fitia, niboraka tsy satry, ny nihiboka tam-poko. Ka nahateny mafy aho, nahaboraka fa tia! Satriko ianao no, hivahiny am-poko! Teny sendra lasa, tsy tanako anefa, no zary feo niantsampy, tolotra ho anao. Ny hitàna ireny, toa ezaka tsy ho efa, ka eo mba raiso re, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/saronan-tava
SARONAN-TAVA…
RRAG
SARONAN-TAVA… Tiana a! Tsy hay hotinazanina, ivelan’ny jery, ny tia sy ny tiana, nandrevo ny fo. Rivotra mahafanina, mahabadabada teny, ny endrika fitia, tsinjaran’olon-droa. Savolaina hamboraka, miahotra ny hiantoraka, menatra sy drodroky ny ady hosedraina, ‘ty fo ka mitaraina, manahy ny ho folaka! Ka ho resin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-ho-eny-izao
TENY HO ENY IZAO…
RRAG
TENY HO ENY IZAO… Teny ho eny izao dia, nisy ilay fitia, lefona natoraka, handràtrana ahy. Tamin’ireny isika, mbola niara-dia, dia izaho no ‘lay hoe: “Silaka fanahy”. Nefa anie ka nofy e! Rotsirotsin-tsaina, entin’ny eritreritra, hamafa ny taraina! Teny ho eny koa mantsy, no nisy fiadanana, tsy natao ho ahy, ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vina/sary-teny
SARY TENY
VINA
Eny! Misy teny vitsy mahalaza ny ao am-po, mahalaza ny ao an-tsaina. Ary misy sary vitsy tazana ao an'eritreritra fa tsy tazana ao an'efitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rahalahy
RAHALAHY…!
RRAG
RAHALAHY…! Misy aina mifameno, misy saina tsy iray. Misy rà mampifamatotra, misy fo koa mampiray. Fatoran-tady mampitambatra, aina amin’ny aina. Saingy fifanoherana, eo amin’ny samy saina! Rahalahy, tsy voatinery kibo iray, fa mety nama-mahatoky. Fanahy, tsy voatery hitovy akory, fa hoe mpizandry sy mpizoky. M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sedra
SEDRA…
RRAG
SEDRA… Ry sombin’ny aiko mbola tsy ary, setrasetrain’ny fiainan’ory. Mbola tsy to dia ‘njay mijaly, tsy avelan-tsedra hitony akory! Hontsa anao ny foko ry aiko, ‘njay mitroatra nefa tsy afaka! Vaky hatramin’ny atin-tsaiko, Manahy sahady anao solafaka! Ny tany ady isan’andro, tsy natokana ho an’ny osa! Aiza k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faran-dranomaso
FARAN-DRANOMASO...
RRAG
FARAN-DRANOMASO... Ritsoka namoha, ny lasa efa voavono, tsiaro iray namongatra, 'reo ràtra tsara fono, no zary rojo vy, namatotra ny tena. Isan'ireo mavesatra, noentina ankaterena! Faran-dranomaso, nalatsa-pijaliana, takonan-kaizim-parany, nanakom-pifaliana, mantsy toa naharitra, sy zary toa tamana. K'indrisy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-ahy-sy-ho-anao-ihany-ireny
HO AHY SY HO ANAO IHANY IRENY…
RRAG
HO AHY SY HO ANAO IHANY IRENY… Irony heloka efa vitako, ka nitondra ahy tam-ponja. Dia ny fitiavako anao, izay diso toa nanonja! Irony halatra natao, ka nahavoafatotra ny tena. Ka nahatonga ahy izao, ho fahavalom-pirenena! Irony adiady maro, izay natrehin'ity tenako. Nisy rà nilatsaka any, saingy toa tsy nanenena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-resinao
HO RESINAO
Fredy Jaofera
HO RESINAO Ho resinao ny ady atrehina isan'andro rehefa tia mitandro ny vavaka sahady. Ho resinao ny jaly manelingelin-dava rehefa io mandrava ny ratran'ny omaly. Ho resinao ny rofy mitari-paharesena rehefa hay volena no toky fa tsy nofy. Ho resinao ny lasa zakaina mangingina rehefa am-pitoniana no miai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ainganny-fo
AINGAN’NY FO…
RRAG
AINGAN’NY FO… Misy antso ilavitra renao manakaiky, misafon’ny sofina nefa toa tsy hita. Antsom-pitia maneho fo taraiky, mamaritra ainga sy vetso miampita. Tia tena tia ka mba manantena, valim-pitia mihiba ireo tambiny. Ny handrava ny sedra no hoe fandresena, ka hahamaitso tsy hampihintsana ny raviny. Aingan’ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/ny-tanimbarikeliko
Ny tanimbarikeliko
DadaRabe
Ny tanimbarikeliko, Lova tamin-drazako, Tany izay noheveriko Ho lovan'ny taranako. Ny tanimbarikeliko, Hany mba fananako Sy nandaniako ny heriko, Sakafo kely hohaniko. Ny tanimbarikeliko, Mba asa fivelomako, Mahantra anie ny tenako Ka io no mba iononako. Dia hototofanao, Dia hogiazanao, Dia hoe amidinao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hitia-anao-mangina-sa
HITIA ANAO MANGINA SA…?
RRAG
Araka ilay ohabolan-drazantsika hoe: “Ny tarehy no ratsy, ka ny volo no aolanolana”. Izay fenoin’ilay hoe: “Natao anadahy hiankinana, kanjo misikidy ho vady”. HITIA ANAO MANGINA SA…? ‘Ty fo adaladala e! Jinery iray dia babo, tsiky iray dia latsaka, an-davaka fitia. Teny feno angola, no fingana nandavo, ka faly ery...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miangatra-ialahy-ry-fiainana
MIANGATRA IALAHY RY FIAINANA…
RRAG
MIANGATRA IALAHY RY FIAINANA… Mangidy ialahy ry fiainana, fa hosotroiko ihany, tsakoako hatramin’ny taolana, hatrany ambany tany. Totofy aho raha sahy e! Eo havereno ho vovoka, ny hikepoka an’ialahy dia, tsy ataoko hahadrodroka. Mahery ialahy Rafiainana, fa tsy hahahoaka ahy, tsy haharesy akory, ny hery kely enti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-antsefatsefany
TENY ANTSEFATSEFANY…
RRAG
TENY ANTSEFATSEFANY… Nitomany ianao, naràtra ny hambom-po! Niezaka nitraka, saingy vinaky lohan’ izato sedram-piainana, manosika hianjera! Nitsiry teny antsahan’ny fonao vao tsy ela! Teny antsefatsefany dia nisy fifaliana. Nisy tsiky kely nanala fijaliana. Saingy tsy nampitony ny efa tao anaty, ilay afo nanazav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-teboka-ry-neny
RAHA TEBOKA RY NENY…
RRAG
RAHA TEBOKA RY NENY… Raha teboka ry Neny, no fetra namaranan’ ny setrasetran-dahatra ny tanjo-nokinendry. Dia tsipika ny ahy, no loham-piantombohan’ ny sedra itolomako saronan'ito tendry. Mangidy anie izany, ilaozan'ny masoandro, kanefa mbola lena, ny an-koditry ny tena. Ka zary ranomaso, ilomanosana isan'andro,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tao
TAO
Fredy Jaofera
TAO Tao ny mafy saika tsy niala tonga nifafy sy nanadala. Tao ny rava saika tsy zaka nikendry lava hahazo laka ! Tao ny ngidy saika namono mbola tadidy nifonofono... Tao ny ady saika nanary 'reto angady natao fihary.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/satria-tiako-ianao
SATRIA TIAKO IANAO… 2013
RRAG
SATRIA TIAKO IANAO… Mba tiako izany hoe: “Antsoinao malala”, isan’andro isan’andro, satria tiako ianao. Mba tiako izany hoe: “An-tratranao tsy miala”, alina sy antoandro, satria tiako ianao! Eny! Satria tiako ianao, tiako hatramin’izao, dia tiako tsotra izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vonin-draozy-hafakely
VONIN-DRAOZY HAFAKELY…
RRAG
VONIN-DRAOZY HAFAKELY… Kanto sariaka, tsy miavona izany. Meva bikàna, toa tokana an-tany. Malemy paika, sady tia milefitra. Mirana hatrany, ka tsy leo mandefitra! Sakaizan’ny lolo, sy irony tantely. Ny mason’ny tia, tsy sasa-mijery. Fanantenan’ny resin’ny ady. Ilay mpiarahaba vahiny, eo am-bavahady! Fampitonia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manararao-pako
MANARARAO-PAKO…
RRAG
MANARARAO-PAKO… Ianareo ،zao homana, kanefa tsy nisasatra, sady tsy nitsinemboka, no tsy namafy akory. Mioty avy hatrany, ny hatsembohan-datsaka, saingy tsy nireraka, no tsy niari-tory! Manararao-paty, dia maka ny tsy an’ny tena. Misoloky an-kala-botry, ny olona tsy manana. Mampitombo vola, dia manampatra ny har...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitia
MITIA…
RRAG
MITIA… Sarotra ry aiko, ‘zany hoe mitia. Nefa toa tsy haiko, fa hafa ny fitia, raha toa vakian’ny fo, babon’ny fitiavana. Iray isika roa, ny fitia aza miavaka. Tsy mora ihany koa, ny miaina am-pandeferana. Ny mitàna fo, amin’izay fihetsika, mety ho hanenenana. Nefa rehefa tia, dia tsisy zava-tsarotra. Ny adiady...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/adala
ADALA…
RRAG
ADALA… Asa! Asa aho, raha heverinao adala, tsy ampiampy saina kely. Kanefa! Kanefa ry malala, raha tsisy anao aho, dia very! Asa! Asa aho, raha heverinao adala, tsy mandinidini-tena. Nefa! Nefa ry malala, ianao ny ahy, no fandresena! Asa ihany koa! Raha misy sahy mitsara, ny heloky ny foko tia. Fa n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hadinoko-ny-lasako
HADINOKO NY LASAKO…
RRAG
HADINOKO NY LASAKO… Mamy ny fitia, mahatsiaro ny orokao. Tena tiako indrỳ, ny foko tsy mba lao! Tsaroako irony safo, mitehina amin’ny vatako. Ilavitra ahy ny tsatso, hadinoko ny lasako. Mamy ny niarahana, paradisa tsisy ohatr’izany. Ny fotoana hisarahana, alin’ny tomany. Tsy maintsy mody ianao, eny na tsy ho zak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fonialahy
NY FON’IALAHY…
RRAG
NY FON’IALAHY… Toy irony raozy, tinazako maniry, eo an-jaridaiko, ny fon’ialahy. Hafahafa paozy, hafa fitsiry, tsy sahala irony faniriako, ny fitiavako an’ialahy. Ny fon’ialahy ry tiako, toa miendri-bolamena, mamiratra ohatr’izany, tarafina hazavana. Ny fon’ialahy no, amboaram-pandresena, mamafa ny tomany, nent...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hatraiza
HATRAIZA…?
RRAG
HATRAIZA…? Tsy misy na iray, amiko sy ianao, afaka mamantatra, ny ivon’ny tantara. Tsy nisy na iray, eny! Hatramin’izao, niaiky ny anjara. Fa manamafy foana, ny toky efa vita! Tsy nisy tamintsika, nanaiky ny nangina, nitahiry ny tao am-po. Ka na dia lazaina ditra, ny miaraka amin’ny tiana, dia tsy novaki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-no-hahasolo
IZA NO HAHASOLO?
RRAG
IZA NO HAHASOLO? Vao tinapaka tsy hitohy, ny tantarantsika roa, dia mba niezaka nanopy, tany an-kafa izato fo. Saingy aloka avokoa, no tinazako niserana. Hafa ihany isika roa, ilay ivom-panaperana! Dia naveriko indray, no nitazana 'lay lanitra. Fa dia nahoana kosa kay, ny antsika no tsy naharitra, fa noravan'ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-alinny-nofy
NY ALIN’NY NOFY…!
RRAG
NY ALIN’NY NOFY…! Ny alin’ny nofy, no tiako ho akaniko. Fa ao ry tiako, no hahitako anao. Io tontolo io, no isan’ny mamiko. Ilavitra ady, sy tsisy mitalaho! I Neny koa ao, no miverina misafo. Mitamberina mantsy, ny fahazazako. I Dada mibaby, toa tsy ankiato. Foana koa ao, ny fahajambako! Ny alin’ny nofy, ilay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tonga-soa-ry-taona
TONGA SOA RY TAONA…
RRAG
TONGA SOA RY TAONA… Teraka ianao dia, lavo ny taloha. Hontsa ny eritreritra, nefa atao ahoana moa? Ny teo tsy hay notanana, toa efa tsy tamana. Toy ‘reo lasa rehetra, hatramin’ny fahazazana. Tonga soa ry taona, ka inona no nentina? Fahasahiranan-tsaina ve sa, sento sy aretina? Mety kosa angamba e! Fandrava alahe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/saika-nidiran-doza
SAIKA NIDIRAN-DOZA…
RRAG
SAIKA NIDIRAN-DOZA… Ianao ilay mpandalo, sendra nivahiny, no niantefan’ny jery. Natopinao koa, ‘ty masonao hitazana, ‘ty maso mijinery. Mangalatra aho mandinika, ‘lay endri-tavanao, sariaka kanto ery. Asa, izay tokoa ve, ‘lay tsela-baratra tsy tanty, entin’ny fitia? Niandrasako ho foana, ny efitra fihinanana, ‘lay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mon-coeur-perdu
“MON COEUR PERDU”…
RRAG
“MON COEUR PERDU”… Malalako tsy foiko, tsarovy fa safidy, ny nangalako anao, tanaty vony maro. Ka indro ny foko, ‘lay tena tia anao, fa tena mahatsiaro, ‘reo mamy nentinao. Malalan’ny foko, tsapako ho adidy, ny miaro anao. Hanalavitra ny tsiaro, nentin’ny talohako, isan’ny tia anao. Saingy nanafangaro, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandria-dia-manofisa-ahy
MANDRIA DIA MANOFISA AHY…
RRAG
MANDRIA DIA MANOFISA AHY… Ny alina madiva, hisasaka sahady. Ny akon’ny antsiva, no manidy ny vavahady. Ka eo mandria, dia manofisa ahy, mitafy ilay fitia, fanomezam-pon’ialahy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jiro-manazava
JIRO MANAZAVA…
RRAG
JIRO MANAZAVA… Ianao! Eny, tena ianao irery, no hany nahatsapa, fa misy zavona matevina. Eny! Ianao, no tsy nahavita nijery, fa avy dia nanongo-paka, nanototra azy ho levina. Hahafahako miroso, dia ianao no jiro, toka-mpanazava, ‘lay fo izay nitsilo. Tsy nihambahamba, izato ianao ry Lisy! Tsy nitazan-davitra, n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tonga-ihany-lahy
TONGA IHANY LAHY…
RRAG
TONGA IHANY LAHY… Ndrih! Tonga ihany lahy, fa saika ho efa tsy andry. ‘Ty aina valabalaka, toa mbola velo-mandry! Ny hasasaran-tena, toa hila efa hahafaty, dia mbola alahelo no, injay tahiry anaty! Tonga ihany fa, moa hitondra vao? Sa ny tonta ihany no, havadibadikao? Tonga anefa moa dia, hanova inona? Ilay nof...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rojonankaso
ROJON’ANKASO…
RRAG
ROJON’ANKASO… Tomefy alahelo ny foko ato anaty. Mangidy ny tsiaro minia mitsimoka. Tadidy noheverina ho rava na maty, hay moa ka tsiahy nilevina anirotra! Mihevingevina loatra ny tany aman-danitra. Ka mihoro hatramin’ny efa nilevina. Tamberin-dasa miary zava-maranitra, no indro manindrona ny atin’ny velona. R...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fampitaha
FAMPITAHA…!
RRAG
FAMPITAHA…! Ay moa malala! Ianao ka toy ny lisy, Malefadefa-pihaingo, sy tsotso-piaina. Nefa nisy mpiankaso, namingana indrisy, tsy nitopy akory, anao ‘lay manan’aina. Ianao dia raozy dia, izay sarotra folahina, efa zatra miady irery, amin’ny setrasetra an-tany. Saingy mbola misy sedra, mahatonga anao ho valalan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/niniana-nahintsana
NINIANA NAHINTSANA…
RRAG
NINIANA NAHINTSANA… Somary miahotra ny vava hanambara, ity fitia niahy nahazo laka. Matahotra anao sao dia hitsara, matahotra ihany koa izay ho latsalatsa. Dia niniana nakombona mba tsy hiloaka, haneho ivelany ny atin’ny fo. Satry dia satry aza ny hitsoaka, nefa etsy andaniny mba te hiara-droa. Ka inona izany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-ialahy-malala-a
TIAKO IALAHY MALALA A!
RRAG
TIAKO IALAHY MALALA A! Tsy ilaina averimberina, hotenenin-dava, ny teny tiako ianao. Nefa! Satriko hankarenina, toy irony hikan-jaza, fa tena tiako ianao. Tsy mila atamberina, aloakan’ny vava, ny hiteny tiako ialahy. Fa ny ainga re mitrerona, nampihovitra ny tava, no nanainga ny fanahy. Tiako ialahy malala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiana
TIANA…
RRAG
TIANA… Mamy ny fitia, sambatra aho akia, Miaina mivantana, ny tsiron’ny fondrỳ! Ny mifampitantana, mandray ny tanandrỳ, mitsetsitra ihany koa, ny tsiron’ny fitia. Tokana ao am-po, mamy ny miaraka amindrỳ!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-anaranao
NY ANARANAO…
RRAG
NY ANARANAO… Misoritra amin’ny boky, miendri-dohateny, ny anaranao! Isan’irony toky, tsy ilaina feo miteny, ny anaranao! Mameno ny atim-poko, fitia tokan-doko, raha ny anaranao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voninkazo-toa-ani-neny
VONINKAZO TOA AN’I NENY…
RRAG
VONINKAZO TOA AN’I NENY… Tsy misy kanto mihoatra ny lisy. Tsy misy meva mitovy amin’ny raozy. Kanefa, tsy nokoloina izy ireny indrisy, ka zary voninkazo lasa ratsy paozy. Tsy misy manaitra ivelan’ny “daliah”, ny voniny aza, milaza fitia. Fa hafa ihany, ny hatsaram-panahy, eo amin’olon-droa, izay miara-dia. Mba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fifaliako-indrindra
NY FIFALIAKO INDRINDRA!
RRAG
NY FIFALIAKO INDRINDRA! Ny fifaliako indrindra, dia ‘lay miaraka aminao, ny eo anilanao. Tsy tiako hafindra, amin’olon-kafa, izay ankoatra anao! Ny hasambaram-poko, mamelombelona ahy, dia ny fisianao. Ilavitra toloko, ilavitra ahiahy, ny foko akaikinao! Ny fifaliako indrindra, tiako mba zaraina, dia ny n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tara-jironny-aliniarivo
TARA-JIRON’NY ALIN’IARIVO…!
RRAG
TARA-JIRON’NY ALIN’IARIVO…! Ry firenena mamiko, miavaka ohatr’izany ‘ty hakantonao. Ianao ry taniko, no meva toy izao? Sariaka dia sariaka, tsy miavon’arahaba, toy ny masoandro mibaliaka! Ka ny rahony nisava! Ny tara-jiron’ito Iarivo, manjopika ohatr’izany. Io alina io no ivo, mandrotsirotsy anao ry tany. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voninkazoko-hono-ianao
VONINKAZOKO HONO IANAO…
RRAG
VONINKAZOKO HONO IANAO… Voninkazoko hono ianao, ‘lay novoleko tato am-poko. Voninkazoko hono ianao, saingy raozy efa nafoiko. Efa navelako ho an’ny hafa, nitsiriritra anao fahiny. Nohadinoiko toy ny lasa, ankehitriny zary tsiny! Voninkazoko hono ianao, hoy ny nofiko nilaza. Voninkazoko ianao, ‘lay nantsoiko malal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fahasambarana-indray-mipi-maso
FAHASAMBARANA INDRAY MIPIMASO!
RRAG
FAHASAMBARANA INDRAY MIPIMASO! Toy ny nofy mandalo ‘ty fiainan’ny tany. Nofy tsy haharitra toy irony omaly! Nefa aleo hararaotina fa anatin’ny tsatso, no misy hasambarana indray mipimaso. Minitra tsy hampoizina ho mora hidify. Ora tsy vitsy toa saingy manify! Saingy aleo hararaotina na dia matsatso, fa ao ny ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foko-no-peratra
NY FOKO NO PERATRA…
RRAG
NY FOKO NO PERATRA… Ny foko no peratra, famatotra fitia, hatolotro ho anao. Sedraiko ny tselatra, manakana ny dia, tsy hamonjeko anao. Satria tiako ianao, tiako hatramin’izao! Ny foko no peratra, mifamatotra amin’ny fo, ao anatinao. Fitia niahy naka elatra, fitiavan’olon-droa, ka niantsampy taminao. Satr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mba-tiako-tanisaina
MBA TIAKO TANISAINA…
RRAG
MBA TIAKO TANISAINA… Ry malalako tsy foiko, mba tiako tanisaina, eto izany hoe: “I love you”, vokatry ny fo, tena tia anao. Tiako haverimberina, ventesina anaty sento, ‘lay hikan-teny hoe: “I love you”, efa hatramin’ny taloha, dia resinao aho! Ny foko tia dia tia, tsy menatra intsony, hizara ny ao anaty. Nalaviri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/love-aho
“LOVE” AHO!
RRAG
“LOVE” AHO! Safidy ny fitia fa tsy lahatra! Ny fitia afo iray tsy mitsahatra, tsy maty vonoina, tiako ianao r’ilay domoina! ‘Lay mandravaka ny foko, tiako ianao r’ilay tsy foiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manina-fa-tia
MANINA FA TIA!
RRAG
MANINA FA TIA! Manina ny fo, te hiantso anao mafy. Mahatsiaro ny an-doha, alahelo toa tsy ho tanty. Resinao ny foko, lavo tsy nihazon-defona. Satria ianao tsy foiko, zary sary mitamberina. Misafo ny fijeriko, nanova ny anatiko, lasa aingan-teniko, tokana fiantsampiko. Manina ny fo, indrisy! Manina fa tia. Mitak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-lisy
NY LISY…
RRAG
NY LISY… Ny lisy no vony, fivoliko am-poko. Izy ilay mpampitony, ny atin’ny foko. Ianao io vony io,’lay fiaro tadio. Tsisy hafa tsy ianao, no nitia ahy nadio! Ianao lisy no harena, rava-jaridaiko, Fanilon’ny tena, vony nolalaiko. Tokana am-poko, tsy manam-paharoa, tsy afa-kosoloiko, fa mitsiry am-po! Ny lisy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny
NY…
RRAG
NY… Ny orokao toa tantely, ahosotra amin’ny molotro. Ny tsikinao, tsikin’anjely, miondana an-tratrako. Ny fonao, mientanentan’eny, manaitaitra ny foko. Ny hitia anao, no ambetin-tsianjery, takiako mba ho zoko! Ny antsonao, reko fa manako, manaitra ny atim-panahiko. Ny siokanao, feo ‘ray kanto, manala ny fahangina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manoratra-aho
MANORATRA AHO!
RRAG
MANORATRA AHO! Manoratra aho anio, fa manina ity foko. Manora-taratasy, ho anao ilay tsy foiko. Manoratra aho, manoratra hoe: “Je t’aime”. Ny ao am-ponao: ”Je sais que tu m’aime”. Manoratra aho, manoratra tantara, anaty pejy tokana, ‘zay pejin’ny fitia. Manoratra aho, manoratr’izay tsara, tsy voka-po nangoraka,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/halako-sy-tiako
HALAKO SY TIAKO…!
RRAG
HALAKO SY TIAKO…! Ry foko nitia, toa halako ianao. Mandràtra ny aiko, fe toy izao. Mandrotika ny aty, izay miezaka miady. Nefa ry foko, aza leo sahady! Tiako ianao, ry foko mitia. Tsotra dia tsotra, tsy mihatsaravelatsihy. Saingy toa halako, raha sendra voafitaka. Ianao no marary, fa ny hafa misintaka. Halako ...