url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fireneko-mahantra
FIRENEKO MAHANTRA…!
RRAG
FIRENEKO MAHANTRA…! Fireneko mahantra, eo miarena, fa tsy mendrika anao izao, ry firenena. Miarena hitroatra, hikiry ho afaka, ny sombin’ny ainao, tsapa fa efa valaka! Fireneko mahantra, eo mitrakà, ny adintsika, tsy atao mihosin-drà. Fa ady madio, amin’ilay fahantrana, ireto anakao, ataovy hoe: “Mitsangana”. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/andao-hatamberina
ANDAO HATAMBERINA…
RRAG
ANDAO HATAMBERINA… Neny malala andao hatamberina, irony fahin’ny fahazazako. Tamin’ireny aho mbola tsy nanenina, tamin’izay hadalako! Tsy nihoatran’ny fefy ny zava-bita, na tsy niniana nofehezina aza. Ankehitriny anefa ny adintsika, ry Neny! Toa mahatata-bava. Andao re haverina ry Neny izy iny, fa hafa ihany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny-sanginao
IRENY SANGINAO…
RRAG
IRENY SANGINAO… Ireny sanginao, moa va tsy tena izy, fa sangisangy ihany? Ireny teninao, nisy nahakivy, ay moa ka sangy hatrany! Fa maro tamin’ireny, sanginao ireny, no nanaitra fo. Tsy vitsy tamin’ireny, teninao ireny, no namaky loha, hoe: “Moa va tena izy, sa sangy fotsiny ihany?” Fa indraindray toa tsy haiko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/bonne-nuit
“BONNE NUIT”…
RRAG
“BONNE NUIT”… Ali-mamanala, mangina sady maizina. Tsy ho folaka ihany ve, ‘ty torimaso rehefa faizina? Ny faniriana dia ny hitafa amin’ny fo, mandrakizay doria. Misy fetrany ihany anefa ka, ‘ndeha atao hoe: “Bonne nuit”! Alina mangina mitondra nofy lalina. Ny tahotra manjaka, ny tena koa toa malina. Ny faniriana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/reniko-iny
RENIKO INY…!
RRAG
RENIKO INY…! Ilay nilanja entan-tsy zaka, Reniko iny! Ilay nandaingako nefa tsy nandaka, Reniko iny! Tsy foiko fa tokana tsy hananako maro, Reniko iny! Reny tena tiako ka tsy afak’atakalo, raha izy iny! Narary izy iny niteraka ahy, ka iny no Reniko! Nanabe ara-batana sy ara-panahy, tena tsy afeniko! Reniko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tenin-dreny
NY TENIN-DRENY…!
RRAG
NY TENIN-DRENY…! Hireharehana ny mahay miteny, teny vahiny mahadonto ny sofina. Izany hono e! No hoe tenin-dReny, teny malama toa mora tononina. Teny mahitsy faranan’ny teboka, homem-boninahitra fa kanto ery. Ny an’ny tena anefa toa lasa fievoka, natakalo mihitsy aza toy ny“Friperie”! ‘Zay tontatontan’akanjo t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mdelim-pitiavana
MÔDELIM-PITIAVANA…!
RRAG
MÔDELIM-PITIAVANA…! Mitamberina tampoka anaty tadidy, ny fahazazana teo anilan’i Neny. I Neny ‘lay tokana tompon-tsafidy, afaka nandao ahy teny ho eny! Saingy naleony nihazona ahy, nitaiza ‘ty zanany tamim-pitiavana. Nalaviriny ahy ny ahiahy, izay re ry Neny rahavana! Tsy menatra hihosina fota-maloto, tsy kiv...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iry-ilay-fasani-mama
IRY ILAY FASAN’I MAMA…
RRAG
IRY ILAY FASAN’I MAMA… Hontsa dia hontsa ny foko mahita, mahatazan-tsanganana, famaritra fetra. Fetran’ny aina, ain-tsy tafita, fa resin’ny fiainana, fiainan-kerisetra. Ao i Mama no mandry matory, mirindrina vato, an’efitra tokana. Tena renoka izy, tena resi-tory, resim-piainana, ka mitokantokana. Fola-damosin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fasan-dongontany
FASAN-DONGON-TANY…
RRAG
FASAN-DONGON-TANY… Tomany ny foko, hontsa ny saiko, raha mandalo amin’itsy hoe, lalam-baovao. Mirotsaka ho azy, ny ranomasoko, eny toa tsy haiko! Mahita an’iretsy, zaza mitalaho. Lavo ny Reniny, nisintonin’ny fasana, dongon-tany matevina, no mandrakotra azy. Tsy mba nofonosina, eny, toa tsy mba niandrasana, fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fa-misy-tsy-misy
FA MISY TSY MISY…!
RRAG
FA MISY TSY MISY…! Fa misy fitia, mamafa ny fery. Misy fitia, tsy novolena an-tery. Misy fitia, tsy lefin’ny taona. Misy fitia, mangina eny foana! Misy any ho any, maniry hanan-janaka. Ny anao dia nafoy, nariana toy ny fako. Nefa ny sasany, tsy mba mahazo taranaka. Tsy ianao ve, no ‘lay tena mpiankaso? Tsy mis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toy-ny-fitiavan-dreny
TOY NY FITIAVAN-DRENY…!
RRAG
TOY NY FITIAVAN-DRENY…! Tsy mitovy avokoa, ny Renikely eto an-tany. Ao ireo mitondra soa, sady mamafa ny tomany. Mampitony ny adin-tsaina, manabe toy ny Reny. Sady mihaino ny taraina, mamela koa anao hiteny. Misy ny fitiavan-dRenikely, toy ny fitiavan-dReny! Misy amin’ireny tena tia, mahay mizara ny ao am-pony. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ranomaso-farany
RANOMASO FARANY…!
RRAG
RANOMASO FARANY…! Teo am-pialana aina, no nirotsaka tomany. Sisasisan-dranomaso, izay tsy ritran’ny aretina. Hany embom-pahatsiarovana, namandoana ny tany. Saingy tahiry iray mavesatra, tsy hety ho harafesina! Sary tsy ho faty an-tsaina, ninoninona holalovana. Tsy nofy hifohazana maraina, fa tena tsiarom-pahatsia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-misaona
FO MISAONA…!
RRAG
FO MISAONA…! Tsy misy fahafahana, raha tsy misy fotoana. Nahoana ny fo, no tsy hisaona? Raha ny sombin’ny aina, no lavo teny an’ady! Fery toa akory, no ho maina sahady? Ankasomparana, no namingana ny aina, maràtra ny fo, marary ny saina. Lavo sahady hono, ilay fatoran’ny aiko. Rariny angamba, raha marary ny sai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/novonoinny-zanany
NOVONOIN’NY ZANANY…!
RRAG
NOVONOIN’NY ZANANY…! Ny Ray no nandao, dia ianao no nisedra, niaritra daroka, sy vono matetika. Ny Ray no nandao, dia ianao no nazera, narahan-kapoka, sy lako imbetika! Fa dia nahoana, no ianao no mizaka, sedra tsy efa, tsy zakan’ny aina? Nahoana koa, no miaritra daka, vely kanoto, sy fandràtrana saina? No tam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rafozan-doza-sendra-vinanto-tsy-vanona
RAFOZAN-DOZA SENDRA VINANTO TSY VANONA…!
RRAG
RAFOZAN-DOZA SENDRA VINANTO TSY VANONA…! Maro dia maro, ny tian’ny zanany, fa leo setrasetra, sady leo eson-teny. Itsy farany ‘zao, toy ny fehezin’ny tanany, lazainy ho maola, sy tia jerijery. Toy ny mpiasa, irony safidy! Ny lahy koa ery, toa tsy mba miteny. Izany tokoa ve, no hoe miadidy? Tsy maintsy manao, iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vinanio-eto
VINANIO ETO…!
RRAG
VINANIO ETO…! Tsy misy mahalala, ny faran’ito tany. Tsy misy mahasakana, fo tsy hitomany. Tsy hisy hahavita, ny vitan’ny hafa. Tsy hisy hahatefy, fo iray maràtra! Tsy hisy ihany koa, Reny hankahala, ny sombin’ny ainy, zanany malala, nankarary ny ainy, niaretany ny mafy, ny fitiavan-dReny, toa tsy mety maty! Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mahantra-loatra-ny-fo-ao-anaty
MAHANTRA LOATRA NY FO AO ANATY!
RRAG
MAHANTRA LOATRA NY FO AO ANATY! Mahantra loatra ny fo ao anaty, ka tsy mahay mankasitraka. Toa mbola mitady ny ampiampy, tsy mahalala izay vizaka. Dia ny manome tsiny, no toa tena hainy. Nefa anie iny, no vitan’ny sainy. Mahantra loatra ny fo ao anaty, ka tsy mahay tiavina. Reniny izao izay efa maty, dia sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-izaho-ianao
RAHA IZAHO IANAO…!
RRAG
RAHA IZAHO IANAO…! Ry fireneko mamiko, tiako sy lalaiko. Tokana ny taniko, fa ny hafa dia tsy haiko. Toa mangina hoy aho e! Ity ianao ry tany. Nefa anie izao, ny zanakao dia mitomany. Raha izaho ianao, dia ampanginina izy. Tsy izany mantsy anie, fa izy tena kivy, leo ny ady lava, iainany aminao. Raha sitrakao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foto-nipoirako
NY FOTO-NIPOIRAKO…
RRAG
NY FOTO-NIPOIRAKO… I Neny sy i Dada, no foto-nipoirako, naha toy izao, ny fiainako anio. Izy ireo no nanoro, ny lalana hitovirako, nampianatra ahy, hisedra izay tadio. I Dada no nibaby, i Neny no nitrotro. Tao ny tambitamby, narahan-drotsirotsy. I Neny no namahana, i Dada nampisotro. Tsy rariny ve, ‘zaho indray...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lakalaka-ny-fiainana
LAKALAKA NY FIAINANA…!
RRAG
LAKALAKA NY FIAINANA…! Ninoninona atao, ny trosa no betsaka. Ny hohanina anio, rahampitso vao ho hita? Ka nahoana moa, no hahafahana hipetraka, raha ny ady omaly aza, mbola tsy vita? Lakalaka ny fiainana, ny omaly no miverina. Betsaka ny ady fa, ny anio no tena mafy! Toy ny lasa nolalovana, injay mitamberina. L...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-fireneko
RY FIRENEKO…!
RRAG
RY FIRENEKO…! Ny fahafahanao mazàna, zary resaka matetika, habobon’olom-panjakana, no mahatonga anao hilentika. Ny kabary zary fomba, toa tsy nahasoa anao akory, nodorana aza izato Rova, fony ianao ‘lay resi-tory! Dia nangingina teny ho eny, tsy hita ihany izay hoe marina. Irony Gasy sahy niteny, avy hatrany dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tokana-an-tany
TOKANA AN-TANY…!
RRAG
TOKANA AN-TANY…! Tokana an-tany izay Reniko izay. Nizara fitia sy nitaiza ahy! Izy no Reniko mandrakizay. Tsy handao ahy izy, izaho tsy hanahy! Nisotro izy anefa ny rano tsy tiana. Nisedra ny mafy, mba ho fiaina-mirindra, no hilomanosan’ity zanaka tiana! Eny! Tena tiany indrindra. Marary izy ireny, toa mbola m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nibaby-irery
NIBABY IRERY…!
RRAG
NIBABY IRERY…! Tsy misy teny, mahafehy ny fitiavako. Tsy misy ry Neny, mahasakana ‘ty vavako! Ka aleo aho hiteny, haneho vetsom-po, ho anao nibaby irery, nizara ny soa! Tsy misy tantara, mitovy ny anao. Tsy misy sahala, ka tahaka izao! Fa fitiavana tokana, ny fitiavan’i Neny, raha izaho manokana, tsy hahavita t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangina
MANGINA…!
RRAG
MANGINA…! Mangina e! Fa aza mitomany, ry sombin’ny aiko izany. Etsy! Ny ranomasonao fafako, ‘ty tavanao sasako! F’izany no eto an-tany, mangina fa aza mitomany! Mitrakà fa aza mitanondrika, raha ny fiainana! Tetezan-kazo boboka. Tsy voatery hitovy hatrany, ny omaly sy ny androany. Tsy voatery ho ratsy foana,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tena-tsy-ho-vitako
TENA TSY HO VITAKO…
RRAG
TENA TSY HO VITAKO… Mbola ho vitako ihany ve, ny hanatona anao am-pandeferana, hihaino ity tolokonao, ‘zay novolen’ny fanenenana? Mbola ho vitako ihany ve, ny hijery, ‘ty masonao mipararetra, mangovitra tsy sahy miteny, tsy mahantso ny anarako? Ity foko toa mba maika, ny hampody anao an-trano. Nefa tsy zakan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sokafy-ny-vava-raha-te-higadra
SOKAFY NY VAVA RAHA TE HIGADRA…!
RRAG
SOKAFY NY VAVA RAHA TE HIGADRA…! Tahotra mafy ny an’ny mpanohitra, nefa toa fỳ ny seza tadiavina. Ka na dia efa tsy afa-manohitra, dia mbola mitady lalana hodiavina! Kinga ery ry be kasikety, hamoaka ny basy an-dakazeri…! Tsy fantatra intsony ‘zay mety sy tsy mety, fa nidina ny baikon-dRakôlônely. Mihovitra av...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-hadalako
‘TY HADALAKO…!
RRAG
‘TY HADALAKO…! Neny a! Neny a! ‘Ty hadalana vitako, bevohoka anie hono e! Bevohoka ilay sipako. I Dada nilazako izany, tonga dia tezitra. Ianao sisa ry Neny, no hakako hevitra. “Anaka a! ‘Ty lozanao. Fa inona loatra, ‘ty raha natao? Iny ve izao, tsy ho mbola tsy ampy taona? Maika ery ‘nareo dia tsy nahandry fot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsisy-na-dia-sary-iray-aza
TSISY NA DIA SARY IRAY AZA!
RRAG
TSISY NA DIA SARY IRAY AZA! Toa maloka tampoka, ny tany aman-danitra. Mitomany ny voary, misaona ny fony. Mahatsapa ny tena, fa tena mahantra. I Neny no lavo, ka ny fo ve ho tony? Maizina ny andro, mitrena ny varatra. Lavo ny andry, izay natao ho fitaratra, resin’ny fiainana, nofinganin’ny tendry. Ny lahatra sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/noely-toy-izao
NOELY TOY IZAO…!
RRAG
NOELY TOY IZAO…! Ry zanako tiako, indray noely toy izao, no nifankahita, izaho sy ny Reninao. Nifankatia dia, nifanao voady, tamin’izany ‘zahay, mbola tsy mpivady. Teo mantsy anaka, no nanomboka nitsiry, ilay raozim-pitia, izay maro mpaniry. Teo no niantomboka, ny tantaranay, ny irina dia! Ny ho mandrakizay. M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-lanitra-ambony
RY LANITRA AMBONY…!
RRAG
RY LANITRA AMBONY…! Raha vorona misidina, iry habakaba-manga, misioka velon-kira, ren’ny fo mimalo, dia mety mba hitondra, tsikikely angamba. Rivotra madio, ahafaham-po mikalo! Ry lanitra ambony, voafafa ny tomaniny. Ireny aza moa, velombelona eny! Omenao isan’andro, ny arapany sy hohaniny. Dia izaho ve, tsy ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitenena-izay-sahy-maty
MITENENA IZAY SAHY MATY…!
RRAG
MITENENA IZAY SAHY MATY…! Izany hono e! Izany hono izay sahy. Tsy ialahy vao zaza vao, no hoe manana fanahy. Mitenena eo ialahy, dia hahita tsy fahita, ka hilaza izao sy izao, fa ialahy ny hoe mahavita! Sokafy kely ity vava, raha te ho tapaka ny lela. Izahay aloha izao, no mpitondra firenena, ka raha mbola te hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitsambiky-mikimpy
MITSAMBIKY MIKIMPY.
RRAG
MITSAMBIKY MIKIMPY. Nijabaka ry Neny, ny fo vao nitia, ny jinery ivelany, no niantsampazana. Kinanjo tsy hita, raha tsy niara-dia, fa ny fitiavana, dia mbola ady mazana. Nitsambiky nikimpy, fa sendra hatsaràna. Toa endrika lisy, ny an’izato Rakala! Nahazo teny mamy, dia niseho ho tamana. Ay ‘ty anjely, toa efa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vata-mangatsiaka
VATA-MANGATSIAKA
RRAG
VATA-MANGATSIAKA Minitra vitsy monja, no hany nahavelomany. Segaondra fohy dia fohy, no navela nitolomany. Vao teraka izy, dia nalavon’ny tany. Tsy misy ràtra, mafy toy izany, hoe: “Mamoy ny anaka, fotoana vitsy”. Amin’izany izy ireto, toa kambana mihitsy. Vata-mangatsiaka, tsy misy fofon’aina. Vata-mangatsiak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-taona
NY TAONA…
RRAG
NY TAONA… Dimapolo taona aty aoriana, tsy mbola aloha fa aoriana, ity nosy Madagasikara, noho ny pôlitikan-tseza. Ady toerana, fifikiran-tseza, halatra, sy kolikoly mahabaoty. ‘Reo no re mazàna, ankoatra ny famenoam-paosy. Noho ny vola, sy ny harena, dia misy sahy mamadika, miantso fahavalom-pirenena, mba h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eh
EH!
RRAG
EH! Indrisy mantsy, noheveriko handalo, ‘reo raho-mainty, ka hiserana! Andro vitsivitsy izay, toa tsy nanam-pahataperana, saronan-javona matevina, ity foko mitalaho. Tsy noheveriko handràtra, ka hamingana ahy akory. Ela loatra anefa izay, ity izy vao mba tony, fa leo ny masoko mijery, sy mandinika izany. Osa sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/reniko-foana-iny
RENIKO FOANA INY…!
RRAG
RENIKO FOANA INY…! Tsy fidiny ho azy no nitrongo vao homana. Ny hohaniny anio rahampitso vao ho hita. Tsy safidiny koa ny ho tafitohana. Nefa atao ahoana fa izay aloha no vita? I Dada mba aiza, fa toa izy irery, no nanabe anay, hatramin’izao? Toa tsy hitako akory ny mijerijery. I Neny hoy ny olona no nahatonga ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandalo-miserana
MANDALO MISERANA…
RRAG
MANDALO MISERANA… Ilay volana nandalo, nahiako ny hiserana. No nijanona ela teto, fa nanam-paharetana. Nefa izato ianao, mba nanokafako ny foko. Niovaova toetra, toy ny tsy nanan-tompo. Ny an’ny hafa toa, naharitra sy ela. Ny ahy sy ny anao, vao niandoha dia nianjera. Sarona havoana, sy zavom-be miloko mainty. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rado-rado-na-george-andriamanantena-lavo-ianao-lay-mba-nantenaina-hanoro-sy-hananatra-ny-tanora-ankehitriny.-mba-hahay-hiaro-tena-handositra-tsiny.-rado-mangina-tanteraka-ny-vahoakanny-nosy.-misaona-ny-gasy-fa-tsy-hoe-nikorosy-ilay-andrareziny-izao-n
RADO…
RRAG
RADO… Rado, na George ANDRIAMANANTENA! Lavo ianao, ‘lay mba nantenaina, hanoro sy hananatra, ny tanora ankehitriny. Mba hahay hiaro-tena, handositra tsiny. Rado, mangina tanteraka ny vahoakan’ny nosy. Misaona ny gasy, fa tsy hoe nikorosy! Ilay andrareziny izao, no nandao ny tany. Nahoana raha fo Malagasy, no ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nianatra-nanisa
NIANATRA NANISA…!
RRAG
NIANATRA NANISA…! Neny ô! Tany am-pianarana,‘zahay nianatra nanisa. Nalefa am-pilaharana, naraham-bisavisa. Niantomboka amin’ny aotra, mbola tsy ary isika. Ny iray nanararaotra, fa tokana no vita! Ny roa mihambohambo, fa hoe nahavita zavatra. Ny telo mihaza lambo, ireo mpandatsa-baratra. Ny efatra manafatra, ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lavo-eo-ambony
LAVO EO AMBONY…!
RRAG
LAVO EO AMBONY…! Nihantona fotsiny fa tsy nianjera, hoy ny sangin’ity mamolava. Aminy angamba izany no dera, dia mahatonga azy ho basivava! Toy izany ny fiainana raha atao topimaso, misy ny mihafy fa vitsy izy ireny. Misy aza moa fototra ankaso, faka iray nandavo ny Reny. Lavo ny Reny, noho ny ditran’ny zanaka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofinny-foko
NOFIN’NY FOKO…
RRAG
NOFIN’NY FOKO… Hoavy ‘lay andro, hifohazan’ny foko, hitsiry fitiavana, tsy hatahorana hiofo. Fitia tsara voatra, sy mafy fototra, na sedra na olana, tsy hahavita hanototra. Fa vao mainka aza, hamoaka ‘lay sompitra! Hilaza ny foko, fa misy hazavana, mipoitra maraina, mitondra hafanana. Miboko mangina, ‘lay foko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-zipo-fohy-ve-tsy-salaka-ihany-eh
NY ZIPO FOHY VE TSY SALAKA IHANY EH…!
RRAG
NY ZIPO FOHY VE TSY SALAKA IHANY EH…! Neny mazàna izaho manontany. Ny zipo fohy ve tsy salaka ihany? Samy toa zara raha misy takonana, dia aza gaga raha misy manolana! Fandrosoana hono, ny zipo fohy. Angamba kosa, efa ho adala itony. Moa ve tsy salaka, ny nanaovana fahiny? Dia niverina ihany izany izy ankehitri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-ray-ao-ambony
RY RAY AO AMBONY…!
RRAG
RY RAY AO AMBONY…! Ry Ray ao ambony, ‘ty aho mitalaho, mba tsinjovy re, ‘lay Reniko ao. Reraka loatra, ny adim-piainana. Nefa tsy manana, izay hitarainana! Valio ny angatahiny, raha sitrakao. Fa hontsa anie Tompo, ‘lay Reniko ao. Valaka mihitsy, fa tsy afa-mitroatra. Ny sasany anefa, mbola manararaotra. Mbola ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/trano-bongonay
TRANO BONGONAY!
RRAG
TRANO BONGONAY! Tsy hanananay raha, ny sezam-bahiny, fa ny anay akalana, izay seza fahiny. Tsy takatray ireny, ary tsy homby aminay, ka aleonay mihafy, amin’izay efa anay. Raha latabatra izany, toa manery trano, ny anay tsihy, toy ny anaty angano. Avalona fotsiny, dia efa vita. Na ratsy aza iny, iza no hahita? ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tsia-satria
TSIA SATRIA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
TSIA, Tsy azonao izorana ny lalana nodiaviko Tsy azonao iainana ny fiainana niainako Tsy azonao tiavina ny zavatra notiaviko SATRIA ny fievitrao tsy mitovy ny fisainako Tsy azonao mamiana ny zavatra ankafiziko Tsy azonao lavina ny zavatra noTSIAviko F'angamba maminao ireo rehetra ngidiko Ka ny ENInao omaly, ani...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fiainana-hodiavina
FIAINANA HODIAVINA…
RRAG
FIAINANA HODIAVINA… Eh! Mba mpinamana ihany ve isika? Dia izaho sy ianao Rafahazazana. Toa ela tsy nifankahita, raha vao tonga, Rafahatanorana. Namam-baovao, akaiky ahy indrindra, nananatra ahy mafy, hanova famindra. Namana akaiky, fa mety mbola hamitaka, nefa tsy ho ela dia, izaho no hisintaka. Hiazo moramora...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lavitra-ahy-2
LAVITRA AHY
Fredy Jaofera
LAVITRA AHY Lavitra ahy ny momba anao ka asa, lahy, raha be vaovao ? Lavitra ahy ny sangintsika tsy voatahy raha toa adika. Lavitra ahy ny fanditra kely ka manahy, na tsy mamely. Lavitra ahy ny tantara nisy ka tsy sahy mamoha, indrisy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vetsonilay-tena-tia
VETSON’ILAY TENA TIA…
RRAG
VETSON’ILAY TENA TIA… Hosoratako amin’ny tany, ny anaranao, tsy ho voafafa intsony, ao am-poko ao. Hovetsoiko mangina, ihany koa izany, f’efa misokatra ho anao, izany fo izany. Ka hanjaka samirery, ao ilay fitia, raha toa izaho sy ianao, samy tena tia. Dia tsy hanam-piafarana intsony koa! Ilay tantarantsika, ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/razambe
RAZAMBE…
RRAG
RAZAMBE… Voron’ny ala, fanilon’ny saina, olon’ny fitia. Niaro ny taranaka, fara-mandimby, nanoro ny dia. Ireo razambe, ‘zay namoy ny ainy, tamim-pitiavana. Tsy hohadinoina, na koa hovonoina, fa raketina am-po. Kintan’ny alina, taratry ny fo, ireo ‘zay nataony. Ka namoizany, ny hany fananany, sisa tavela. Sisa na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandinika
MANDINIKA.
RRAG
MANDINIKA. Very hevitra, eh! Toa very dia ihany koa, mibanjin’ilay hoavy, sy ‘reo lazaina mahasoa. Mahasoa ny firenena! Tsy ho hangatahan-tambiny! Ka hibodoana ny hareny, sy ‘zay sisa ambinambiny. Sisa lovam-pirenena, ambim-potaka tavela. Navela hoentina maneso, handoroana ny hambom-po. Ary nenti-nandràtrana, sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ilay-fotoanantsika
ILAY FOTOANANTSIKA
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
 Isakin’ny tafahoana  Indray andro iny isika  Dia toa vetivety foana  Ilay fotoana hihaonantsika  Nanapaka ary isika  Fa hoe ho any Bemanonga  Fa hoe: any misy paradisa  Nefa indrisy isika fa tsy tonga  Any antsakoameloka any indray  Hoy ianao no alehantsika  Koa amin’izay fotoana izay  ho lava i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/reny
RENY…!
RRAG
RENY…! Mahantra fitia, mahantra harena, mahantra fitiavana ity firenena. Mivelona irery, tsy ankiteniteny, nivelona irery ity tanikely. Ry Reniko malala, ‘zay tsy misalasala, Reny tsy foy, tsy manan-tsahala. Reny be fitiavana, tsy mba miavona, Reny fitaratra, tsy avelako ho zavona. Niaritra ny mafy, rovitra fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tamberina
TAMBERINA…
RRAG
TAMBERINA… Indray taona toy izao, tsaroako mientana ao anaty, ‘reo fifaliana izay voaray, tamin’ny nahitako anao. Mitamberina ny lasa, Mifono, zava-manitra aman-tantely. Fa ‘lay tsiaro tsy mba maty, no injay nanova ny fijery. Misy ireo tena mangidy, toa mitamberina tsy satry. Minia mandrotika ny aina, asa! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jamba
JAMBA…!
RRAG
JAMBA…! Jambanao ny foko, ry voninkazo tsy fahita, fa ‘lay izy saika hiato, hijanon-tsy hitepo, toa vao nahita anao, dia nanomboka nisento. Jambanao ny foko, ry voninkazo tsy fahita, k’injao ny saina no hany sisa, avela hamisavisa, ‘reo ràtram-po nidona, ‘zay toa tsy ho voatanisa. Ny fahitako anao, no nanamafy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tenin-dreny-fahendreny
TENIN-DRENY… FAHENDRENY...
AbouNusrayni
TENIN-DRENY… FAHENDRENY... Rehef' ireo manam-pahaizana no tsapa ankehitriny --- fa tsy mahafehy akory anie izato TENIN-DRENY; Ka ny diplaoma ananany no avo sy ambony --- fa rah' resaka ara-tsoratra dia hita fa toa osa. Dia hatao mahagaga ve raha misy ireo tanora ---maro an'isa tsy dia nianatra nireninereny teny; No...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-hendry-na-adala
NA HENDRY NA ADALA…
RRAG
NA HENDRY NA ADALA… Ny hendry tsy manaonao foana, fa mieritreritra hatrany. Mieritreritra ny tsara, dia mandinika izany. Ny adala tsy misaina, tsy mba mihevitra ny atao, na mibanjin’ireo lasa, izay nitondra azy tao. Na izany aza, aza hadinoina, fa olombelona avokoa. Na ny hendry na ny adala, eny! F’ireo nan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ny-hatsaranao
Ny hatsaranao
Ny Ela Nihetezana
Toy ny kinta-manjopiaka manjelatra eny ambony, Manampy ny hatsaran'ireo voary... sasak'alina! Manintona ny saiko sy itony foko itony, Izato hatsaranao, tsy mba namboarimboarina!! Toy ny boikan'doharano, miboiboika an'ala Manaingo ireo kirihitra, sy ireo karazan-kazo Tsy vitsy ny maniry mba hiantso anao malala, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lasa-adala
LASA ADALA…
RRAG
LASA ADALA… Mametsovetso irony lasa, izay nodoran-ka tsy may. Sy ‘retsy zava-boakasa, tsy nisy efa na iray. Migogogogo mitomany, hampitoniana ny alahelo. Tsy nampisinda azy izany, fa toa vao mainka nampihelo. Lasa adala hoy ‘ty saina, dia mirediredy fotsiny. Ity fo ka be taraina, fa voatsindrona ny nofony. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ma-meilleur-prire
ma meilleur prière
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Jehovah ô: Ny finoana Anao no mamelona ahy Ny fahatokiana Anao no iainako isan'andro Ny fitantananao no tsy hananako ahiahy Iainako isan'andro raha mbola eto an-tany Raha ny fihevitrao tsy takatry ny saiko Fa lavitry ny lanitra ny tany izay onenako Re hampitomboy ny fahalalana ananako Hanompoko anao tsy misy ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-herim-po-fanary
NY HERIM-PO FANARY
Fredy Jaofera
NY HERIM-PO FANARY Ny herim-po fanary ka aoka tsy ho kivy, na tiana ny voasary, mba misy marikivy. Ny herim-po fanary ka reseo ny tahotra ialana amin'ny rary, na hita mivahotra ! Ny herim-po fanary ka mahaiza miroso hampamoa ny vary fa tsy hisosososo. Ny herim-po fanary ka aza menatra avy, mbola ho lavor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/fikobonana
FIKOBONANA...
AbouNusrayni
FIKOBONANA... Ianao mivoy mafy hoe tsy tian-dreo isika; Maniry ianao ny hoe mba ho raisiny am-pitiavana. Ka ny toetra asehonao aza toa mianjona masiaka. Ny fitandroana fihavanana tsy ananao finiavana! Ny fifandraisana aman'olona nataonao mangatsiaka. Ny fihetsikao rehetra mampiseho fikobonana. Atao ahoana ny hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iarivokeliko
IARIVOKELIKO!
RRAG
IARIVOKELIKO! Indro mantsy ry Iarivo, nosaronany tanteraka, ‘lay masoandronao. Indrisy mantsy ry Iarivo, fa dia ranomaso indray, no natao iainanao. Dia hovetsoin’ny mponinao, an-tononkalo sy an-kira, ny fitiavany. Hisoronany ny ainy, sy ‘zay hany mba fananany, ny fahaleovantenanao, sy ny fahafahana, izay anao hatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mifona-aho
MIFONA AHO!
RRAG
MIFONA AHO! Mifona aho ry tany, mivalo aminao, fa tsy efako ny adidy, izay napetrakao. Variana mantsy aho, nandinik’irony lasa, sy ny lefony nandràtra, ‘ty fonao ‘zay nitalaho. Mifona aho ry tany, fa tsy haiko ny ho atao, hanohizako ‘lay ady, efa natombokao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tsiriritra
TSIRIRITRA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Taitra tampoka aho nahita anao nandalo Fa mantsy teo no taitra lay fitiavako natory Niainga moramora ny vavako hikalo Kay ny anaranao tsy fantatro akory NY TSIRIRITRAKO Nandalo ianao niherika, nifanojo tamin'ny jeriko Tsy viniliko ny masoko ka lasa ianao nangarika Nitsiry tato ampoko hoe raha ianao no ateriko N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-vidiny
MISY VIDINY
Fredy Jaofera
MISY VIDINY Misy vidiny ny hafatrafany fa tsy fidiny ny loza afany. Misy vidiny ny hatezerany f'efa ngidiny raha noferany. Misy vidiny ny ady mafiny feno didiny 'zay nafafiny. Misy vidiny ny alahelony raha adidiny ito avelony !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/hahadimby-anaran-dreny
HAHADIMBY ANARAN-DRENY
fanasina7
HAHADIMBY ANARAN-DRENY Ry zanako ! Raha misy fanomezana, dia ianao no "Sarobidy" Tsy hita holanjaina, tsy hay tombànam-bidy Ny vola aman-karena, tsy misy azo ampitahaina Satria ianao ry zanako, dia tena sombin'ito aina. Ry zanako ! Ianao no fifaliako, ianao no reharehako Ianao no tabihako, amin'ny androm-pahant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/ody-fitia-tena-mandaitra
ODY FITIA TENA MANDAITRA
fanasina7
ODI-FITIA TENA MANDAITRA F'ahoana Razily no toa mitan-tsaoka a ! Sady toa mivembena toa ny mamon'ny toaka ! Hono ho'aho lesy, mba aiza ho aiza, No misy dadarabe tena mahay mitaiza ? Hitady odi-fitia aho lesy hitazomam-behivavy a Fa izay niaraka tamiko, dia nisintaka aby. Ka manomboka izao, raha mahazaka ankiray ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/alina-mangina
ALINA MANGINA
Tara-masoandro
Izany hono, ny alina fahavalo? Kanefa toa nanjary lasa namana tsy foiko Fa mandondona fanahy hiainga mba hikalo Ireo nofinofy mamy, manenika ny foko. Dia ampanoratiny aho mandritra ny ora maro. Injay fa enoko, ho mitsingevaeva Ilay saiko izay mahita ireo loko mifangaro, Toa sarotra hazavaina, fa soa sy tena meva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahantrana
FAHANTRANA
Fredy Jaofera
FAHANTRANA Fahantrana ny tsy tiana sy lalàna hijaliana. Fahantrana ny mizaka ka rarana sao vaka. Fahantrana ny taraina, ny hiovana no ilaina ! Fahantrana ny tia tena ka fafana na fefena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/hataka
HATAKA
NY HERIMAR
Hataka. Ry Raiko ao ambony, Mangataka e aminao Omeo saina tony ity zanakao; Aza avela ho saropiaro amin'izao rehetra izao sy amin'ity fiaina-mandalo; Mitalaho e raha azo atao, Omeo fo madio koa sy saina tsy miahiahy Ireto masoko anakiroa, aza avela ho sahisahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/dia-lavitra-anatinny-saina
DIA LAVITRA ANATIN'NY SAINA
Tara-masoandro
Andao ianao fa ho entiko Hitety ny tontolo anaty saina ihany Ka ho voatetintsika, na lanitra na tany, Indrindra fa ny rano, ny tendrombohitra avo. Tsy ho adino ihany koa, ireo biby sy ny hazo. Henoy izany rivotra, mitsoka sy malefaka, Mamelombelon' aina, sy ny saina izay ketraka. Ny hanitry ny tany manentoento e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/modia-ianao-ry-zanako
Modia ianao ry zanako
fanasina7
Anaka ! Modia aty am' Dada, avia aty am' Neny Aza mampijaly tena, aza miafiafy irery Fa i Dada tsy hibedy, i Neny tsy handatsa Fa rano tsy azo raofina, ny hadisoana tamin'ny lasa. Tsy mba bitsibitsika etsy, na filaza "honohono" Fa ny masonay no mahita, ity ianao maty vono Ny tarehy mivindambindana, ny maso manga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tsiaroko
TSIAROKO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Matetika mihitsy no latsaka ny sentoko Fa mahatsiaro anao any lavitra any Ny anaranao no hany sisa mba fivetsoko Ts'isy hafa tsy sento no mba tafitako any Raha any ianao tsarovy ireny lasatsika Izay ampaha-piainana kely tamin'ny androko Dia lay tetezan-kely niarahana niam-pita Mafy nosedraina fa nandravaka ny fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/kifosam-pialonana
KIFOSAM-PIALONANA
fanasina7
KIFOSAM-PIALONANA Ramatoa : Ô rangahy a, avia anie topazo maso Ry zareo ato atsimo, mifampiantsoantso Misy fiara be io, irony mpitondra entana Asa inona no ao, no dia faly ery iry vendrana ! Rangahy : Raha iny baoritra batainy iny, dia toa fahitalavitra Anefa izay tena ao anatiny, tsy misy mahavoafaritra Mety ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/foko-malokila
MBOLA MANINA!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
MBOLA MANINA! Fa toy ny vao omaly ianao no teo an-tanako fa toy ny vao omaly ianao no teo an-tratrako Sisa, ny fara-vodilanitra tomara-bolamenan' ny masoandro tankariva no sakaizan'ity maso ny vina sy ny visa ny sento sy toloko ny saiko mitanisa ny alahelon'ity foko Fa, mahamanina ahy ity moron-drano ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mandoro-tanindrazana
AZA MANDORO TANINDRAZANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Madagasikara, nosy meva, tena kanto; rakotra ala fahiny, na aiza na aiza’aleha. Nahasarika ny maro, izay tonga mba handrato, ny hatsaran'ny natiora, ka lasa ho rehareha. Maro ireo zavamaniry, hita eny rehetra eny, nampiavaka ilay Nosy Madagasikara. Toy izany koa ny biby, hita ombieny ombieny; tsy fahita n’aiza n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/hafaliana-miavaka
HAFALIANA MIAVAKA...
AbouNusrayni
HAFALIANA MIAVAKA... Nisy hafa indray omaly; Faniriana iray tanteraka; Tonombavaka nivaly; Tena lesona mipetraka. Moa ve tsy mahafaly; Ny mahita fa nitombo; Ny ho lavitry ny jaly; Satria nankato ny Tompo. Ary tena itiavako azy; Tsy mba nisy fiarakaraka. Avy hatrany mariazy; Hafa m'hitsy sady miavaka. Izay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tontolonny-poeta
TONTOLON'NY POETA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Tsy mbola niova akory ny teny ho lasa soratra Tsy akory mbola teraka ny gazety sy ny boky Dia iny ianao no resy tamanan-drotsirotsy Tanaty nofy lalina tao anaty tory Rendrika tanteraka, tsy mahalala akory Fa efa niandry anao ny tontolo tsara voatra Tontolo hafa iray mahatonga anao hitroatra Tsy hipetrapetraka sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/clarisse-ratsifandrihamanana/hitako-nitafitafy
Hitako nitafitafy.
Clarisse Ratsifandrihamanana
Hitako nitafitafy ny lelam-baravarany Ka nandiso avy hatrany ny zavatra nambarany Satria nilaza tamiko izy: "efa fefika ny zahatra" Rava teny anivon-drano, tsy mba nisy izay namahatra." Efa fefika ny fo ka tsy re ny emponempony Nisamboaravoara mafy dia nangina ny fitepony Ka ny aina nihararetra, ny fitia namboloi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/ny-adinny-mpivady
NY ADIN'NY MPIVADY
fanasina7
NY ADIN'NY MPIVADY Raha mbola azo atao, aleo tsy miditriditra Amin'ny adin'ny mpivady, hita mifangodiditra Androany ireo mikorontana, ny ampitso efa milamina Ianao te hanelanelana indray, no zary lasa fanina. Tsy mpivadivady foana manko, ny olona ankiroa Fa misy tsiambaratelo, tsy ifankafoizan'izy roa Aza gaga r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/bye-bye-fa-tsisy-hevitra
BYE BYE FA TSISY HEVITRA
fanasina7
BYE BYE FA TSISY HEVITRA Hay ve ny lehilahy, mba mahatsiaro maharary e Rehefa ilaozam-behivavy, dia maro ireo mijaly Tsy mahinan-kanina, mihamahia isan'andro Ary ny sasany aza moa dia indro lasa mivari-lavo. Misy mikoretaka, rehefa injay mitoetra irery Tsakotsakoin'ny nenina, ka mahatsiaro hoe tena very Misy man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boyanjah.rz/ray-o
Ray O
Boyanjah.RZ
Ray ô!! avelao fa diso ity maditranao variana sy mania,tsy mahalala izay atao Tsy mahalala akory izay hiafarany Fa maka mamy loatra ity fiainan-tany Ray ô! Tsy mendrika akory ny hiantso anao Kanefa re ry Tompo ô! miangavy mitalaho Aza tsaroana akory ireo ratsy izay niniana Ka aza ariana re e!! raha tojo fahorian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ngidim-pisarahana
TSIARO ANAO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
TSIARO ANAO omaly tankariva sembantsemban-drahona no indro tovovavy namikiviky an-tongotra nianjonanjona famindra ontsaontsan'alahelo kotsakotsan-dranomaso ka zary malok'endrika angamba ny aty fony feno ratran'olon-tiana feno fatrana-hakiviana ka niako tao an-tsainy ny feon'ilay famoizam-po mantsy mafaitr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/manala-baraka-vehivavy
MANALA BARAKA VEHIVAVY
fanasina7
MANALA BARAKA VEHIVAVY Tsy hoe ny vehivavy foana no tiana tsikeraina Na sanatria ankahalaina, satry homena tehamaina Fa tena misy kosa, manao fitafy mampihomehy Na eny an-tsena io, na eny an-dalambe. Atao hoe adala, nefa toa misy saina ihany Atao hoe olon-kendry, nefa dia tena be vinany Efa programany izao, hand...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/minitra-vitsy-monja
MINITRA VITSY MONJA!
RRAG
MINITRA VITSY MONJA! Oram-baratra mikija, mitety tafontrano, mandrotsaka tomany. Ilay tena lehibe indrindra, no nalavon’ny angano, hototofan-tany. Ranomason-jorontrano, ranomasom-boary an’ala, fahorian’ny fo mitroatra. Maty tsy mba tra-drano, toa tsy nisy mpahalala, tam-pahorian-tsy mivoatra. Minitra vitsy monja, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-lalana-iny
INY LALANA INY…
RRAG
INY LALANA INY… Toy izao ‘lay hafatr’i Mama, fony ny foko vao nitia. Mbola namafisin’i Dada, mba hahatsara izato dia. K’ireny no hany foto-piainako, notanako ho filamatra. Ekeko anefa fa ny fisainako, tsy dia tena tonga lafatra. Iny lalan’iny anie malama, ka ilàna fitandremana. Ny kilalaom-pitiavana, dia mbola me...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/masonny-fanahy
MASON'NY FANAHY
Tara-masoandro
Fa rahoviana ihany, Vao tsy handrotsaka tomany Ilay mason'ny fanahy, Toa matory tsy mba sahy Misokatra sy hifoha, Ka hikatsaka ny soa Handala fahendrena Hanadio fitondran-tena, Sy hametraka fitsipika Mba hitombo sy havitrika? Rahoviana vao hiandrandra Hibanjina ny ambony fa tsy ny ambany rava? Rahoviana vao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fo-miantsa/tsilo
TSILO
Fo MiAntsa
Mandehana re mandeha e !!! Rehefa fantatrao Fa tsy ho ahy mandrakizay Ilay raozy menamena Asidisidinao, Dia fihino samirery ! Fa zary lasa fery Sy mandratraratra Izato tsilotsilony !!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-foko-hely-resindroky
'TY FOKO HELY RESINDROKY...!
RRAG
'TY FOKO HELY RESINDROKY...! Miredareda mafy toa tsy hay vonoina ny atinao ry foko, mitroatroatra mafy mandrotika ny aiko! Aiza ho aiza teny ianao ‘lay hoe tsy foiko, fa zary lasa teny tsy afaka ato an-tsaiko? Ity fientanam-poko e! Rotidrotikao ry tiana, potika sy rava ka resinao tanteraka. Ny nofinofiko aza voa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/bala-sivy
BALA SIVY…
AbouNusrayni
BALA SIVY… 1.Ny fiarakarahana toy ny kodiarana, Raha sendra vaky mbola azo tapenana. Kanefa dia misy ny tsy azo anoharana; Hita ny soritr'ilay notsetsemana. 2.Io fitiavana'io anie tranom-bala; Izay tifitra atao mapihena ny vatsy. Raha hiovaova ny anao ny malala; Tsy hanan-katolotr'intsony atsy ho atsy. 3.Ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/neny-sendra-ny-tiako-aho-izao
NENY Ô! SENDRA NY TIAKO AHO IZAO…
RRAG
NENY Ô! SENDRA NY TIAKO AHO IZAO… Mientana mafy ny foko ry Neny, toa mitepo fitia. Sendra nanopy ‘lay maso nijery, dia ilay tena tia. Sady mba tiako a! Ny tsikin’ny tavany e! Toa volamena. Endrika kanto, hihaingoan-tsafira, tena harena. Neny ô! Vao nitopy ny masoko dia, sendra ny tiako aho izao. Faly dia faly, hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fo-miantsa/tselatra
Tselatra
Fo MiAntsa
Tselatra nandoro No reko tao anaty Vao nifampitopy Ny masontsika roa ! Toa fitia nijoro Sy efa vaky ambiaty No velona sahady Tany anaty tany Namelona vinany ! Dibok’hafaliana Ilay fo mampalahelo Sady namelovelo Ny andro tsy ho hariva Raha eo anilanao ! Saingy rava vetivety ‘lay nofy nomamiana F’ianao ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mari-pahambaniana
MARI-PAHAMBANIANA
Fredy Jaofera
MARI-PAHAMBANIANA Mari-pahambaniana ny manimba zavatra, mifono habibiana sy alahelo fatratra. Mari-pahambaniana ny tia mamaly ratsy fa tsy ho fitahiana hahazoana vatsy. Mari-pahambaniana ny mialona fahatany hita ho faharatsiana tsy mahasoa ny tany. Mari-pahambaniana 'zay tia mamaly faty, tsy hahazo fiton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lasa-aiza-i-neny
LASA AIZA I NENY?
RRAG
LASA AIZA I NENY? Dada! Fa lasa aiza i Neny, fa tsy hitako mihitsy? Sa kosa re, lasa any amin-dry Lisy? Lasa nanatitra ‘lay gisabe, ho an’i Kakibe, hohaniny amin’ny fety. Sa lasa eny amin-dry Dadatoa, sy ry Nenitoa ery Besarety? Lasa aiza hoy aho i Neny, toa tsy tazantazako? Angamba kosa izy, nividy izay ho anjar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mifampitantana
MIFAMPITANTANA
Fredy Jaofera
MIFAMPITANTANA Tsy fantatro loatra ny aleha fa rehefa mifampitantana isika dia mazava kokoa ny izorana : ny foko aza tia rehareha, ny fiaina tsy misy tomika, mety ery izay ifotorana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianareo-sy-izahay
IANAREO SY IZAHAY…!
RRAG
IANAREO SY IZAHAY…! Izahay ve? Tsy mahita izay ho ambara, tsy manana ny hokianina. Tsy dia manamanam-bava, sady tsy mba mody fanina. Fa miezaka eny foana, milefitra amin’ny rariny. Io koa anie tsy lainga e! Hoe: “Samy manana ny mariny”. Ary ianareo? Moa ve mba mahatsiaro, izato hoe tenanareo? Moa koa mba mahala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lily-noelyne/ny-any-aminay-lay-akany
Ilay akany nitaiza
Lily-Noelyne
Ny any aminay 'lay akany nitaiza Tsy mety hadino na aiza na aiza. Na lavitra mantsy na mbola akaiky, Ny akany nitaiza tsaroa-mampiaiky. Ny any aminay 'zay tsinjo eny ho eny Toa endri-mitsikin'i dada sy neny, Ka rah'malahelo fa saraka ny any, Mionona kosa mijery an'izany. Ny any aminay tsy sasa-miandry, F'ireo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pejy-mainty
PEJY MAINTY…!
RRAG
PEJY MAINTY…! Tsy hanoritra ny tsy haiko aho ka handrava irony lamina, fa miezaka kosa aho mametraka arofanina, fetra tsy hodinganina hamaritam-bina. Hatsapanao tiako hoe: “Ianao no hany tiana, tsy maty ato am-poko foiny ianao tinazako”. Tokana ianao, ‘lay tiako izay notoaviko! Saingy mamy kely sendra tsapan-del...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nitomany-aho-fa-maty-ilay-mimy
NITOMANY AHO FA MATY ILAY MIMY…!
RRAG
NITOMANY AHO FA MATY ILAY MIMY…! Neny ô! Latsaka tsy satry, noho ny alahelo, ny ranomason-tavako. Raha nahita ireto, zana-tsakakely, fanintsin’ny jineriko. Misaona mi-miaomiao, anoloam-bata-mangatsiaka, mivalampatra eo anilany. Mitomany angamba ireo, fa lavon-dahatra ‘lay reniny, ka tsy hisy ny hifihinany. Neny ô!...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/toa-zary-nofy-ihany
TOA ZARY NOFY IHANY
Tara-masoandro
TIMOTY JOSTO: 'Zaho hanao mpitsabo Médecine hafa kely Hikaroka sy hitady Hivezivezy toy ny tantely Tsy avelako raha tsy hitako Ny fanefitry ny fahafatesana Fa ny fasana efa feno Toa misy fitsetsefana Indrisy anefa fa... Toa zary nofy ihany Ny fiainana eto an-tany, Miserana, mandalo, Tsy afahanao mikalo ma...