url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fireneko-mahantra
FIRENEKO MAHANTRA…!
RRAG
FIRENEKO MAHANTRA…! Fireneko mahantra, eo miarena, fa tsy mendrika anao izao, ry firenena. Miarena hitroatra, hikiry ho afaka, ny sombin’ny ainao, tsapa fa efa valaka! Fireneko mahantra, eo mitrakà, ny adintsika, tsy atao mihosin-drà. Fa ady madio, amin’ilay fahantrana, ireto anakao, ataovy hoe: “Mitsangana”. Fireneko mahantra, nahoana no tsy hitroatra, raha mbola ny madinika, no misy manararaotra, misy mikendry, handroba ny keliny. Ry fireneko, mba jereo ‘ty fijeriny. Moa va tsy hontsa, mipitrapitra ohatr’izany? Ny tavany koa, toa mandon’ny tomany. Resy anie izy e! Ka nilavo lefona, raha mahatsiaro azy ianao, efa ela no nievina! Ry fireneko mahantra, ho avela kosa ve, ireto mpandroba, ny hirehareha, hamotika hatrany, amin’ny farany bitika? Ka ny gasy kely, izay efa madinika, no mbola hizaka, hilanja izany. Fa hono hoy aho e! Fa an’iza ny tany? Miangatra loatra manko, Rafahantrana. Nahoana izy no eto, no tena tamana?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/andao-hatamberina
ANDAO HATAMBERINA…
RRAG
ANDAO HATAMBERINA… Neny malala andao hatamberina, irony fahin’ny fahazazako. Tamin’ireny aho mbola tsy nanenina, tamin’izay hadalako! Tsy nihoatran’ny fefy ny zava-bita, na tsy niniana nofehezina aza. Ankehitriny anefa ny adintsika, ry Neny! Toa mahatata-bava. Andao re haverina ry Neny izy iny, fa hafa ihany lahy ny tamin’ny fahiny. Teo ny hantahanta, tambitambin-dReny. Ankehitriny toa kotaba ireny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny-sanginao
IRENY SANGINAO…
RRAG
IRENY SANGINAO… Ireny sanginao, moa va tsy tena izy, fa sangisangy ihany? Ireny teninao, nisy nahakivy, ay moa ka sangy hatrany! Fa maro tamin’ireny, sanginao ireny, no nanaitra fo. Tsy vitsy tamin’ireny, teninao ireny, no namaky loha, hoe: “Moa va tena izy, sa sangy fotsiny ihany?” Fa indraindray toa tsy haiko, ny sarim-bazivazy. Tsaroako ireny ianao, mody maka “lague”, amin’ny tranga tsy hampoiziko, hamatoranao ny foko. Kanjo, ireto teny, kisarim-bazivazy, kanefa, saika toa namaky, namaky ny lohako. Ireny sanginao, ny ankamaroany tsy zaka, saingy mba nihafiako. Rehefa tsy eo ireny, toa mahatsapa aho ho olon-kafa, izay ilay nahiako. Fa hafa ihany irony sangy, nanazaranao ahy, ka efa zakan’ny fanahy! Ka na hisy aza ireny, dia efa fantatro fa sangy, ka tsy ho hasiako ahiahy. Malahelo ireny aho, raha sendra ilavitra anao. Mandroretra irery aho, toy ny nalavirinao. ‘Reny hilikilikao aza, efa nipetraka ho tantarako. Zary fanonon’ity vava, ilay teny hoe: “Malalako”.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/bonne-nuit
“BONNE NUIT”…
RRAG
“BONNE NUIT”… Ali-mamanala, mangina sady maizina. Tsy ho folaka ihany ve, ‘ty torimaso rehefa faizina? Ny faniriana dia ny hitafa amin’ny fo, mandrakizay doria. Misy fetrany ihany anefa ka, ‘ndeha atao hoe: “Bonne nuit”! Alina mangina mitondra nofy lalina. Ny tahotra manjaka, ny tena koa toa malina. Ny faniriana anefa dia, ho tody eny aminao. Veloma “bonne nuit” no ‘ndeha atao izao! Mivadika ny alina, mivadika hatsiaka. Taitra ny tena, satria mangatsiaka. Dia mandray finday, manoratra indray: Veloma “bonne nuit”, fa tsy mandrakizay! Tonga ny maraina, mifanena isika. Ny hariva toa malaina, ny hifandao amin’ny hatsiaka. Dia mifamihina mafy, satria tsy mahasaraka. Veloma “bonne nuit”, hoy ‘lay fo tsy maintsy hisaraka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/reniko-iny
RENIKO INY…!
RRAG
RENIKO INY…! Ilay nilanja entan-tsy zaka, Reniko iny! Ilay nandaingako nefa tsy nandaka, Reniko iny! Tsy foiko fa tokana tsy hananako maro, Reniko iny! Reny tena tiako ka tsy afak’atakalo, raha izy iny! Narary izy iny niteraka ahy, ka iny no Reniko! Nanabe ara-batana sy ara-panahy, tena tsy afeniko! Reniko iny tia ahy tokoa. Reny mpitsinjo izay hahasoa. Reny mpibanjina ny hoavin-janany. Reniko iny, izaho no taranany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tenin-dreny
NY TENIN-DRENY…!
RRAG
NY TENIN-DRENY…! Hireharehana ny mahay miteny, teny vahiny mahadonto ny sofina. Izany hono e! No hoe tenin-dReny, teny malama toa mora tononina. Teny mahitsy faranan’ny teboka, homem-boninahitra fa kanto ery. Ny an’ny tena anefa toa lasa fievoka, natakalo mihitsy aza toy ny“Friperie”! ‘Zay tontatontan’akanjo tsy ilain’ny vahiny, nanariana ny landy izay fanao fahiny! Lazaina ny hakantony fa mahasodoka, teny mandalo fa saingy nitoetra. Tenin-dReny hono e! Dia voadokadoka, ka zary eboebo hila tsy hisy fetra. Ny kilonga amin’izany revo ery, mitanisa amin’ny teny nanjanahana antsika. Ka ‘zay mahay miteny, no hoe “Favorie”! Dia nariana e! Izay napetrak’ireo razantsika. Satria tokoa angamba iny ilay fahiny, hafa ihany koa izany hoe: “Tenim-bahiny”. Kanefa aza hadinoina fa ny tany mandroso, miaina amin’ny azy tsy nihindrana ny an’ny hafa. Tsy hevitro izany fa tena voaporofo, fa ny tenin-dReny eto, toa fiaina-mahazatra. Sakafo isan’andron’ny sofin’ny tena, tsy maintsy miloaka izany ny lela. Hany zary fahazaran’iray firenena, dia aiza amin’izany, izay fahaleovantena? Raha ny teny ampiasaina dia tenim-bahiny, sa kosa lahy tsy maintsy izay ankehitriny?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mdelim-pitiavana
MÔDELIM-PITIAVANA…!
RRAG
MÔDELIM-PITIAVANA…! Mitamberina tampoka anaty tadidy, ny fahazazana teo anilan’i Neny. I Neny ‘lay tokana tompon-tsafidy, afaka nandao ahy teny ho eny! Saingy naleony nihazona ahy, nitaiza ‘ty zanany tamim-pitiavana. Nalaviriny ahy ny ahiahy, izay re ry Neny rahavana! Tsy menatra hihosina fota-maloto, tsy kivy nesoina hila ho isan’andro. Tsy nahafoy ahy izay mety hanoto, eny! Na dia hanakona aza ny anjara masoandro. Izay ilay Reny miavaka indrindra, fatoram-pitiavako tokana an-tany. Izy ihany koa no nampiana-namindra, namafa ny tavako raha sendra tomany. Môdelim-pitiavana ianao re ry Neny, singa tsy afaka halàna ao anatiko. Ianao no nampianatra ahy hiteny, mbola nitsinjo ihany koa ny hoaviko. Menatra loatra aho amin’ireny ditra, toa fampijaliana ny fonao niankolaka. Nefa ny fitiavanao ry Neny tsy nety ritra, efa niova aho ry Neny, tena efa folaka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iry-ilay-fasani-mama
IRY ILAY FASAN’I MAMA…
RRAG
IRY ILAY FASAN’I MAMA… Hontsa dia hontsa ny foko mahita, mahatazan-tsanganana, famaritra fetra. Fetran’ny aina, ain-tsy tafita, fa resin’ny fiainana, fiainan-kerisetra. Ao i Mama no mandry matory, mirindrina vato, an’efitra tokana. Tena renoka izy, tena resi-tory, resim-piainana, ka mitokantokana. Fola-damosina, ka tsy afa-miroso, ny mihemotra aza tsy vitany intsony. Lasa i Mama, ka iza no hiampofo? Lasa any izy, fa tsy namana intsony! Ka fasana no efitra, handrian’ny vatany. Lamba tavoahangy, no hany fitafy! Lasa re izy e! Nazeran’ny ràtrany. Any nefa izy, efa tsy hihafy! Tena tsy hahare, ny hirifirin’ny tany. Tsy hahatsapa intsony, ‘zany fijaliana izany! Tsy handrotsaka akory aza, tomany iray. Fa izy efa hatory, mandrakizay! Iry ‘lay fasan’i Mama, iry fa mitoetra, andrefan-tanàna. Hitoeran’ny hatsiaka, hatsiaka mamanala, tsy hisy hafanana. Fonenan’ny nofony, sy izay mety ho sisa, sisa tavela. Nefa ihany koa! Mbola ho any isika, na ho ela na tsy ho ela!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fasan-dongontany
FASAN-DONGON-TANY…
RRAG
FASAN-DONGON-TANY… Tomany ny foko, hontsa ny saiko, raha mandalo amin’itsy hoe, lalam-baovao. Mirotsaka ho azy, ny ranomasoko, eny toa tsy haiko! Mahita an’iretsy, zaza mitalaho. Lavo ny Reniny, nisintonin’ny fasana, dongon-tany matevina, no mandrakotra azy. Tsy mba nofonosina, eny, toa tsy mba niandrasana, fa avy hatrany, dia nototofan-tany. Honena ery, izany fo manan-dReny, raha toa toy izany, no hanaovana an’i Neny. Ho fasan-dongon-tany, tsy ho hasiana vata, na sarotra aza ny fiainana, toa fo vato, izay tsy hahatsapa. Fa tsy mendrika azy, ny tontolo toy izany, saingy atao ahoana, raha izay no eto an-tany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fa-misy-tsy-misy
FA MISY TSY MISY…!
RRAG
FA MISY TSY MISY…! Fa misy fitia, mamafa ny fery. Misy fitia, tsy novolena an-tery. Misy fitia, tsy lefin’ny taona. Misy fitia, mangina eny foana! Misy any ho any, maniry hanan-janaka. Ny anao dia nafoy, nariana toy ny fako. Nefa ny sasany, tsy mba mahazo taranaka. Tsy ianao ve, no ‘lay tena mpiankaso? Tsy misy angamba, nefa mety hisy ihany, Reny hahatototra, ny zanany an-tany, haneso ny lasany, handatsa ny tenany. Eny, fa na dia, efa zary nanenenany! Fa misy tokoa, fitia mifamatotra, Reny sy zanaka, tsy hita hofaritana. Fitia tena izy, fitia tena matotra, fa tsy ilavitr’izay, ny fitia an-kizitina! Tsy misy fitia, takalo harena, fa toa mety hisy! Zary mahonena. Vola no tambiny, ny fitia sarisary! Izany koa ve, dia fitia ho hanjary? Fa misy tsy misy, ny fiainana an-tany. Ao ny anjara, voasoritra omaly. Mety hisy hitamberina, dia hoe omaly tsy miova. Tefim-piainana, mety ho endrika rova! Asa a! Fitia ve no resaka, dia ahoana no tsy hisy? Ilay tenim-panenenana, manao hoe: “Indrisy, raha mba izaho lahy”, dia nahoana no tsy hisy? Fo iray manenina, ka mba te hitampify!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toy-ny-fitiavan-dreny
TOY NY FITIAVAN-DRENY…!
RRAG
TOY NY FITIAVAN-DRENY…! Tsy mitovy avokoa, ny Renikely eto an-tany. Ao ireo mitondra soa, sady mamafa ny tomany. Mampitony ny adin-tsaina, manabe toy ny Reny. Sady mihaino ny taraina, mamela koa anao hiteny. Misy ny fitiavan-dRenikely, toy ny fitiavan-dReny! Misy amin’ireny tena tia, mahay mizara ny ao am-pony. Misy kosa ny mihatsaravelatsihy, manao ‘zay tsy hampitony. Miezaka mandrava, ny hany kely tafajoro. Ao ‘reo Renikely, minia mihitsy ny mamono! Fa tsy vitsy kosa anefa, irony fihantahantana! Renikely toa Reny, sariaka ery dia mahatamana. Toy ny fitiavan-dReny, ny fitia omeny anao. Misy mihaino ianao, raha sendra resin’ny talaho.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ranomaso-farany
RANOMASO FARANY…!
RRAG
RANOMASO FARANY…! Teo am-pialana aina, no nirotsaka tomany. Sisasisan-dranomaso, izay tsy ritran’ny aretina. Hany embom-pahatsiarovana, namandoana ny tany. Saingy tahiry iray mavesatra, tsy hety ho harafesina! Sary tsy ho faty an-tsaina, ninoninona holalovana. Tsy nofy hifohazana maraina, fa tena tsiarom-pahatsiarovana. Embon’ny lasa mitahiry, alahelo tao an-tratrany. Izay ‘lay tsiahy, izay ‘lay ranomaso farany! Ranomason-dReny tia, nanaiky hizaka fahoriana. Ranomason-dReny tia, nizoga vesa-pijaliana. Fery anaty hoenti-maty, no fambaran-dranomaso. Ianao ‘lay zanany anefa, no ‘lay singa mpiankaso! Dia iny ranomaso farany iny, no sisa toraka nataony. Iny ranomaso farany iny, ilay fihetsi-tsy fanaony. Saingy ainy ianao na inona, ninoninona hitranga? Enga kosa anefa ho iny, no ranomaso hahagaga! Ka ho ranomasom-panafahana, hanova izay nalehanao. Ho ranomasom-pandaharana, izay ho mety hoavinao. Ho ranomaso faran-tazana, dia tsy hisy intsony izany. Ho foana hatreo ny tany ngazana, toy izany koa ny tomany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-misaona
FO MISAONA…!
RRAG
FO MISAONA…! Tsy misy fahafahana, raha tsy misy fotoana. Nahoana ny fo, no tsy hisaona? Raha ny sombin’ny aina, no lavo teny an’ady! Fery toa akory, no ho maina sahady? Ankasomparana, no namingana ny aina, maràtra ny fo, marary ny saina. Lavo sahady hono, ilay fatoran’ny aiko. Rariny angamba, raha marary ny saiko! Fo misaona, manorim-pery. Ny maso manganohano, tsy mahavita mijery, ity vata-mangatsiaka, ny sombin’ny aina. Aleo aho ry lanitra, mba hitaraina! Alaivo ny aiko, avereno re ny azy. Fa nahoana kosa, no dia izy sahady? Ny azy no hitany, toa vitsy noho ny ahy! Aleo aho ny handeha, fa izaho tsy manahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/novonoinny-zanany
NOVONOIN’NY ZANANY…!
RRAG
NOVONOIN’NY ZANANY…! Ny Ray no nandao, dia ianao no nisedra, niaritra daroka, sy vono matetika. Ny Ray no nandao, dia ianao no nazera, narahan-kapoka, sy lako imbetika! Fa dia nahoana, no ianao no mizaka, sedra tsy efa, tsy zakan’ny aina? Nahoana koa, no miaritra daka, vely kanoto, sy fandràtrana saina? No tambim-pitiavana, hatolony anao! Izay ve no fony, omena anao, ho tolotra amin’izao fety izao? Ny Ray no nandositra, dia ianao no novonoiny, tsy hananany antra, hanalany ny fony. Ny Ray no fositra, dia ianao no nolakoany, ianao ‘lay mahantra, tsy manan-kianteherana akory! Fa inona no antony, no dia ianao no milanja, vesatra mafy, tsy zakan’ny velona? Inona marina, no mahajamba, ka manakona ny mason’izato olombelona? Dia inona ary, no tsy afaka hataony, ka handinihany, ny zava-nataony, sy hanovany ny fomba fanaony?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rafozan-doza-sendra-vinanto-tsy-vanona
RAFOZAN-DOZA SENDRA VINANTO TSY VANONA…!
RRAG
RAFOZAN-DOZA SENDRA VINANTO TSY VANONA…! Maro dia maro, ny tian’ny zanany, fa leo setrasetra, sady leo eson-teny. Itsy farany ‘zao, toy ny fehezin’ny tanany, lazainy ho maola, sy tia jerijery. Toy ny mpiasa, irony safidy! Ny lahy koa ery, toa tsy mba miteny. Izany tokoa ve, no hoe miadidy? Tsy maintsy manao, izay tenin-dReny! Kinanjo nivadika, ny pejin-tantara. Tsy tamana intsony, ireo vony tsara! Dia vony malazo, no nahazo laka, ka iza indray ‘zany, no mety ho voadaka? Vinanto tsy vanona, no indro anoloana, mandreraka vava, mampiteny ny moana! Saro-tenenina, indro sarotra atoro! Toa vatan-kazo, vatan-kazo mijoro. Bebe vava, mahita tenenina! Rafozan-doza, ka nofatoran’ny nenina. Tsy nahay nitsinjo, ny hoavin’ny zanany, dia hidiran-doza, hatramin’ny taranany. Rafozan-doza sendra, vinanto tsy vanona! Miady lava ao an-trano, tsy ahitana ny marina! Tsy hamasahan-kanina, ‘ty sahota-tsy mijanona. Ny zanany, ny vadiny, indray ‘zao no fanina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vinanio-eto
VINANIO ETO…!
RRAG
VINANIO ETO…! Tsy misy mahalala, ny faran’ito tany. Tsy misy mahasakana, fo tsy hitomany. Tsy hisy hahavita, ny vitan’ny hafa. Tsy hisy hahatefy, fo iray maràtra! Tsy hisy ihany koa, Reny hankahala, ny sombin’ny ainy, zanany malala, nankarary ny ainy, niaretany ny mafy, ny fitiavan-dReny, toa tsy mety maty! Tsy hisy mihitsy, Reny hahafoy, ny menaky ny ainy, anaty andro fohy. Ny saina angamba, no hamatotra azy, aleony ny zanany, toy izay ny vady! Vinanio etoana hoe: “Raha toa ianao, no Reny niteraka, toa azy izao”. Moa ianao, mety hahafoy ny ainy? Nefa tsarovy, fa ianao dia ilainy! Vinanio koa hoe: “Ianao zanaka, mbola hitsinjo, ny hoavin-taranaka”. Moa va ianao, tsy hanaja ny Reny? Haiko ny valiny, fa aleo tsy miteny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mahantra-loatra-ny-fo-ao-anaty
MAHANTRA LOATRA NY FO AO ANATY!
RRAG
MAHANTRA LOATRA NY FO AO ANATY! Mahantra loatra ny fo ao anaty, ka tsy mahay mankasitraka. Toa mbola mitady ny ampiampy, tsy mahalala izay vizaka. Dia ny manome tsiny, no toa tena hainy. Nefa anie iny, no vitan’ny sainy. Mahantra loatra ny fo ao anaty, ka tsy mahay tiavina. Reniny izao izay efa maty, dia sahiny lavina. Sahiny hosena, fa tsy nahatafita azy. Nefa sendra faharesena, noho ny fo tsy miady. Satria zanany iny, ka moa tsy sarotra aminy, ny tsy hangina anaty tomaniny?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-izaho-ianao
RAHA IZAHO IANAO…!
RRAG
RAHA IZAHO IANAO…! Ry fireneko mamiko, tiako sy lalaiko. Tokana ny taniko, fa ny hafa dia tsy haiko. Toa mangina hoy aho e! Ity ianao ry tany. Nefa anie izao, ny zanakao dia mitomany. Raha izaho ianao, dia ampanginina izy. Tsy izany mantsy anie, fa izy tena kivy, leo ny ady lava, iainany aminao. Raha sitrakao, ny fiainany ovao! Omeo ny tsaratsara, mendrika ny taniny. Omeo anjara tsara, mamafa ny tomaniny. Omeo safidy koa, entiny mitroatra, handreseny ny hafa, mitady hanararaotra. Ry fireneko mamiko, toaviko ianao. Ianao no anjara taniko, tsisy toa anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foto-nipoirako
NY FOTO-NIPOIRAKO…
RRAG
NY FOTO-NIPOIRAKO… I Neny sy i Dada, no foto-nipoirako, naha toy izao, ny fiainako anio. Izy ireo no nanoro, ny lalana hitovirako, nampianatra ahy, hisedra izay tadio. I Dada no nibaby, i Neny no nitrotro. Tao ny tambitamby, narahan-drotsirotsy. I Neny no namahana, i Dada nampisotro. Tsy rariny ve, ‘zaho indray no hanala volofotsy? Ny foto-nipoirako, tsy vato aman-kazo, fa fitiavan’olon-droa, safidy tsisy tery. Ny faka niaviako, tsy fakam-batan-kazo, ka antitra izy ireny, dia tsy ho asiako jery. Miavaka amin’ny loko, fahitako isan’andro. Ny anilan-dRay sy Reny, tia sy mahay mitia. Nahay nizara tsara, izay anjara masoandro. Ny handika azy ireny, dia ho sanatria! Fa ny foto-nipoirako, dia ireo andry niankinako. Ny foto-nipoirako, no nihazona ahy, teny am-pisidinako. Ny foto-nipoirako, no hany, tsy nandao ahy. Ny foto-nipoirako, no fototra, nanabe ny fanahy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lakalaka-ny-fiainana
LAKALAKA NY FIAINANA…!
RRAG
LAKALAKA NY FIAINANA…! Ninoninona atao, ny trosa no betsaka. Ny hohanina anio, rahampitso vao ho hita? Ka nahoana moa, no hahafahana hipetraka, raha ny ady omaly aza, mbola tsy vita? Lakalaka ny fiainana, ny omaly no miverina. Betsaka ny ady fa, ny anio no tena mafy! Toy ny lasa nolalovana, injay mitamberina. Lakalaka ny fiainana, ka tsy vitsy no maty! Tsy hoe tsy mahatanty, ny ady miseho, fa efa osa loatra, tsy manana hery. Misy mihitsy aza, maty vao teo, maty mahantra, toa tsisy mpijery! Lakalaka ny fiainana, ny ambony mbola ho ambany. Ny fanaintainana, toa mbola ‘lay omaly. Ny hitoviana amin’ny mpanana, moa tsy tomany? Lakalaka ny fiainana e! Fiaina-mampijaly. I Neny mahantra aza, nofinganiny mihitsy. ‘Ty fiainana ity lahy, toa tsy mba mitsitsy! Midaroka ankolaka, ny osa sy ‘zay malemy. Lakalaka ny fiainana e! Tsy misy tsy miteny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-fireneko
RY FIRENEKO…!
RRAG
RY FIRENEKO…! Ny fahafahanao mazàna, zary resaka matetika, habobon’olom-panjakana, no mahatonga anao hilentika. Ny kabary zary fomba, toa tsy nahasoa anao akory, nodorana aza izato Rova, fony ianao ‘lay resi-tory! Dia nangingina teny ho eny, tsy hita ihany izay hoe marina. Irony Gasy sahy niteny, avy hatrany dia namboarina. Novitaina toy ny omby, saingy izy tsy hita faty, mbola hoavy raha ny tody, ilay vesa-tsy ho tanty. Ilay valin’ny natao, antsoantson-dRazanay, dia zakao eo ny anao, fa efa vita raha ny anay! Ry fireneko mifohaza, fa efa ela loatra izay, ireto fahavalonao aza, toa tena tsy mba mety fay. Miziriziry an-kafetsena, manambaka ny madinika. Miseho manam-pahendrena, nefa, manao anay toy ny vitsika! Mangalatra ny harenanao, manimba koa izay tsy simba. Mamotika ny hasinao, ilay navelan’ny Vazimba! Miarena re ianao, ry fireneko mamy indrindra, leo ‘zahay ny mitalaho, noho ‘ty fiainan-tsy mirindra. Vokatry ny fitiavan-tena, ao amin’ireo mpitondra ambony. Ampy izay ry firenena, avy hatrany tonga dia dony! Mifohaza, mitsangana, ry fireneko Reny mamy. Izahay no fanjakana, ianao no tompon-tany! Ka andao isika hiara-hientana, handrava ireo misiasia, na havesatra aza ny entana, ny handao anao dia sanatria!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tokana-an-tany
TOKANA AN-TANY…!
RRAG
TOKANA AN-TANY…! Tokana an-tany izay Reniko izay. Nizara fitia sy nitaiza ahy! Izy no Reniko mandrakizay. Tsy handao ahy izy, izaho tsy hanahy! Nisotro izy anefa ny rano tsy tiana. Nisedra ny mafy, mba ho fiaina-mirindra, no hilomanosan’ity zanaka tiana! Eny! Tena tiany indrindra. Marary izy ireny, toa mbola mikiry. Tsy mahalala reraka, fa miezaka hatrany! Ka zakainy izay, mety ho hirifiry. Eny! Na dia hiafara amin’ny tototany! Tokana an-tany ianao re ry Neny. Fitia volamena, tsy mety miofo! Tsaroako hatreto, ireo karazan-teny, fandrotsirotsiana ahy rehefa miampofo… Tokana an-tany tsy manan-tsahala. Miavaka toetra, miavaka indrindra! Ianao ry Neny, izay Reny malala. Ny fitiavako anao dia tsy mety hafindra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nibaby-irery
NIBABY IRERY…!
RRAG
NIBABY IRERY…! Tsy misy teny, mahafehy ny fitiavako. Tsy misy ry Neny, mahasakana ‘ty vavako! Ka aleo aho hiteny, haneho vetsom-po, ho anao nibaby irery, nizara ny soa! Tsy misy tantara, mitovy ny anao. Tsy misy sahala, ka tahaka izao! Fa fitiavana tokana, ny fitiavan’i Neny, raha izaho manokana, tsy hahavita toy ireny! Nibaby ianao, nanao an-tsiangory. I Dada nandao, nefa izaho tsy mba ory! Fa teo i Neny, nameno izay banga. Ny fitiavan’i Neny, no narangaranga! Narary aho ry Neny, voan’ny tazo. Naràtra aho ireny, ianao no nitsabo! Tsy nandry ianao alina, mbola nifoha maraina. Fitia tena lalina, ka tsy nampitaraina! Fola-damosina, ianao ry Neny. Fola-damosina, nefa tsy niteny! Tsy niamboho adidy, dia nandao anay, fa nisafidy, no ho teo mandrakizay! Hafa ianao, nibaby nitrotro. Hafa ianao, ‘lay Reny niampofo. Tokana ny tara-pitiavanao ry Neny. Tena hafa ianao, hafa ianao ‘lay Reny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangina
MANGINA…!
RRAG
MANGINA…! Mangina e! Fa aza mitomany, ry sombin’ny aiko izany. Etsy! Ny ranomasonao fafako, ‘ty tavanao sasako! F’izany no eto an-tany, mangina fa aza mitomany! Mitrakà fa aza mitanondrika, raha ny fiainana! Tetezan-kazo boboka. Tsy voatery hitovy hatrany, ny omaly sy ny androany. Tsy voatery ho ratsy foana, izay soritin’ny fotoana! Ka mangina e! Izany sombin’ny aiko izany, mangina, fa i Neny eto ihany! Aoka izay ‘ty ranomaso, fiainan’aiza no tsy hisy ankaso? Saingy raha ao ny risi-po, dia ny handresy foana aloha, no kinendry eto an-tany. Mangina, izany zanako izany! Ny omaly ve hoe ràtra? Dia hoy ianao: “Toa efa mahazatra”. Nefa kosa ry aiko tiako, ny zotom-ponao, mba iriko. Ho hery hafahanao mitroatra, miady izay mety ho hararaotra. Mijoroa ho amin’ny fahendrena, dia ho amboaranao ny fandresena! Ka mangina e! Fa aza mitomany, mbola ho mpandresy ianao, raha mbola tany koa ny tany! Koa mangina izany zanako izany, ‘lay tokan’ny aiko eto an-tany, mangina fa aza mitomany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tena-tsy-ho-vitako
TENA TSY HO VITAKO…
RRAG
TENA TSY HO VITAKO… Mbola ho vitako ihany ve, ny hanatona anao am-pandeferana, hihaino ity tolokonao, ‘zay novolen’ny fanenenana? Mbola ho vitako ihany ve, ny hijery, ‘ty masonao mipararetra, mangovitra tsy sahy miteny, tsy mahantso ny anarako? Ity foko toa mba maika, ny hampody anao an-trano. Nefa tsy zakan’ity saiko, ny hitopy indray ‘ty endrikao. Ka mbola ho vitako ihany ve, ny hanambara aminao, fa ao an’efitry ny foko, mbola misy toeranao? Nefa mantsy raha mba reko, ny fitepon’ny fonao. Dia mety hiverina hirehitra, ‘lay afom-pitia anatiko ao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sokafy-ny-vava-raha-te-higadra
SOKAFY NY VAVA RAHA TE HIGADRA…!
RRAG
SOKAFY NY VAVA RAHA TE HIGADRA…! Tahotra mafy ny an’ny mpanohitra, nefa toa fỳ ny seza tadiavina. Ka na dia efa tsy afa-manohitra, dia mbola mitady lalana hodiavina! Kinga ery ry be kasikety, hamoaka ny basy an-dakazeri…! Tsy fantatra intsony ‘zay mety sy tsy mety, fa nidina ny baikon-dRakôlônely. Mihovitra avy ny iray firenena, manidy ny tranony hitakokokokoana. Ka izay rehetra mihenahena, veloma lery, fa ho Antanimora! Sokafy ny vava raha te higadra, hoy ‘ngahy filoha miforitra an-dapa. Matahotra ery ny naloaka ny vava, ka ny miaramila no navela hanjaka. Dia gaboraraka ity firenena! Ny mpanohitra nitsatsaka ny ady an-dapa. Ny mpitondra natahotra dia niaro-tena. Ka ny miaramila no manjakazaka! Izay ny anao ry fireneko, sakafom-bahoaka ny tahotra lava. Nefa ianao tsy afaka ny hotereko, hanokatra ny vavan’ireo basivava!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-hadalako
‘TY HADALAKO…!
RRAG
‘TY HADALAKO…! Neny a! Neny a! ‘Ty hadalana vitako, bevohoka anie hono e! Bevohoka ilay sipako. I Dada nilazako izany, tonga dia tezitra. Ianao sisa ry Neny, no hakako hevitra. “Anaka a! ‘Ty lozanao. Fa inona loatra, ‘ty raha natao? Iny ve izao, tsy ho mbola tsy ampy taona? Maika ery ‘nareo dia tsy nahandry fotoana!” Tsy izany ry Neny fa tena tsy nampoiziko. Tiako anie izy e! Dia tsy mba notsiaroviko, hoe mbola zaza, ity ‘lay malalako. Inona no ataoko, dia ho aiza ny lalako? “Tsy hoe izaho akory handatsa anao ry aiko. Na izaho koa aza, mba vaky ny saiko, hoe ianao ‘lay tena hendry, ity no namoa-doza. Tsy ho ela angamba, dia efa hiandry anao ny fonja.” Neny ô! Hevitra no ilaiko. Tsy haiko ny atao, marary ny saiko. Sa hilefa aho, nefa toa mandositra adidy? Ka nahoana no tsy hozakaiko, rehefa safidy? “Tsara dia tsara, ny fahatsapan-tena. Izany ry aiko, dia tena fahendrena. Nahoana ny hafa, no hizaka ny vokatra, raha ohatra ianareo, no maika ny hamokatra?” Neny kosa e! Toa miahy maneso ahy. Nefa amin’izao, izaho dia manahy, ny latsan’i Rainy, sy izay ho hatezerany. Mety hisy ve, ny hoe fandeferany? “Zanany iny! Silaky ny ainy. Zanany foana, ninoninona tsy hainy? Ninoninona ditrany, tsy hahavery izany? Zanany iny, na iza tsy ho faly?” Neny i! Ka…! “Tsy maintsy ho tezitra izy, izany tsy holavina. Hakasi-tanana mihitsy, nefa tsy ela dia hiravina. Hitony ny fony, ka ho zary hafaliana. Izy tsy hitory, fa mety tsy hangina.” Neny ô! Dia…! “Tsy hanaiky tsotra, ‘ty vitanareo. Izaho aza mety hiteny, hoe tena tereo. Aleo hanambady, hahatsapa ny vokany. Hizaka hadalana, sy mba hamelona, ity vavitokany.” Neny kosa e! Izaho koa anie mbola kely! Sa ny vadiko izany, velomin’i Neny? Izaho aza mbola mianatra, tsy mbola miasa, ka hanambady sahady, toa tena hafahafa! “Hatreo ny fianarana, tsy vita intsony. Ny tokantrano, no kolokoloy. Ny zanak’olona, ampiadano. Fa aza atao teny latsaka, na koa hoentin-drano.” Neny ih…! “Ilay naloaka ny vava, fony ny nambabo azy, tano ry zanako, tano izay voady. Dia mahaiza mibanjina, ny hoavinareo! Ny fitiavan-janak’olona koa mba jereo.” Misaotra ry Neny a! Misaotra amin’ny anatra. Soa fa misy anao, mbola afaka mananatra. Saingy sangiko izany, laingako fotsiny. Mba hitsapako, ny mety ho fihontsony! “Matiko eo ity a!”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsisy-na-dia-sary-iray-aza
TSISY NA DIA SARY IRAY AZA!
RRAG
TSISY NA DIA SARY IRAY AZA! Toa maloka tampoka, ny tany aman-danitra. Mitomany ny voary, misaona ny fony. Mahatsapa ny tena, fa tena mahantra. I Neny no lavo, ka ny fo ve ho tony? Maizina ny andro, mitrena ny varatra. Lavo ny andry, izay natao ho fitaratra, resin’ny fiainana, nofinganin’ny tendry. Ny lahatra sy anjara koa, tery toa nikendry! Niezaka nisintona, azy ny safidy, fa izay aloha hono, ny azy ny adidy. Mora no vitany, fa ny an’ny hafa no sisa. Iza anefa moa, no hiraharaha antsika? Izany teo ihany, mety azo niaretana, fa ‘ty sarinao tsisy, na dia tahiry iray. Ka inona izany, no azo andraketana, tsiaro ho anao, mandrakizay. Miangatra loatra, izany Ravintana. Tsy mba nitsinjo, ny hiafaranay. Ny hany tahiry, dia ilay kintana, natoron’i Neny, fa mpitsilo anay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/noely-toy-izao
NOELY TOY IZAO…!
RRAG
NOELY TOY IZAO…! Ry zanako tiako, indray noely toy izao, no nifankahita, izaho sy ny Reninao. Nifankatia dia, nifanao voady, tamin’izany ‘zahay, mbola tsy mpivady. Teo mantsy anaka, no nanomboka nitsiry, ilay raozim-pitia, izay maro mpaniry. Teo no niantomboka, ny tantaranay, ny irina dia! Ny ho mandrakizay. Mbola noely toy izao, ry sombin’ny aiko, no nanolorako peratra, ity ‘lay nolalaiko. Ho alaiko andefomandry, vady malala, Reninao koa moa, tsy nisalasala. Anaka, raha toa ka tsaroanao, fa noely toy izao, no nahaterahanao. Ianao ‘lay fanilo, nanazava anay, hafa ihany izany, noely aminay!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-lanitra-ambony
RY LANITRA AMBONY…!
RRAG
RY LANITRA AMBONY…! Raha vorona misidina, iry habakaba-manga, misioka velon-kira, ren’ny fo mimalo, dia mety mba hitondra, tsikikely angamba. Rivotra madio, ahafaham-po mikalo! Ry lanitra ambony, voafafa ny tomaniny. Ireny aza moa, velombelona eny! Omenao isan’andro, ny arapany sy hohaniny. Dia izaho ve, tsy ho hasianao jery? Raha lanitra mitaratra, ny ivon-tsy hita maso. Mitondra ny mahasoa, irony ambany ravina. Dia mety fahavalo, tsy resi-mpiankaso. Namana miaro, andro aman’alina. Ry lanitra ambony, naman-tsy mahafoy. Ny vavaka nataoko, mbola iandrasam-baliny. Saingy raha ny foko, tsy hisasatra ny hanohy. Hivavaka hiantso anao, mba hisian’ny rariny! Mba hisian’ny rariny, ho an’ny fireneko. Hanafaka azy faingana, anaty fahantrana. Na izany aza, ianao tsy hotereko, f’izay omenao ahy, dia horeveko manja!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitenena-izay-sahy-maty
MITENENA IZAY SAHY MATY…!
RRAG
MITENENA IZAY SAHY MATY…! Izany hono e! Izany hono izay sahy. Tsy ialahy vao zaza vao, no hoe manana fanahy. Mitenena eo ialahy, dia hahita tsy fahita, ka hilaza izao sy izao, fa ialahy ny hoe mahavita! Sokafy kely ity vava, raha te ho tapaka ny lela. Izahay aloha izao, no mpitondra firenena, ka raha mbola te hiaina, akombony malaky. Raha tsy izany tapa-tenda, tapa-tenda dia ho faty! Mitenena izay sahy, sokafy kely hoe ny vava. Ahitsio ny fombanay, dia mamorona tabataba. Fa hoavy tsy ho ela, tsy hahasokatra io ialahy, dia hanao veloma aina, izay hisaraka am-panahy. Manandrama kely fotsiny, fa efa maro izay no lavo. Niseho nahay no izahay, dia mba hananika ny avo. Nazeranay avy eny ambony, ny elany aza tsy nahatàna, ka ialahy mba mitenena, raha tena tsy tamana. Mitenena eo ialahy, raha sahy maty am-pasan-drazana. Manandrama miloa-peo, fa veloma ireto havana. Dia mbola mety ho any an-tatatra, no handrian’ialahy. Ka eo vao hoe hanangatrangatra, fa tsy tafandry ny fanahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitsambiky-mikimpy
MITSAMBIKY MIKIMPY.
RRAG
MITSAMBIKY MIKIMPY. Nijabaka ry Neny, ny fo vao nitia, ny jinery ivelany, no niantsampazana. Kinanjo tsy hita, raha tsy niara-dia, fa ny fitiavana, dia mbola ady mazana. Nitsambiky nikimpy, fa sendra hatsaràna. Toa endrika lisy, ny an’izato Rakala! Nahazo teny mamy, dia niseho ho tamana. Ay ‘ty anjely, toa efa Ramama! Efa madama, niteraka efatra. Ny tanany aloha, mbola tsisy peratra. Izy koa moa, kara demôzely. Sipa Ramama aloha e! Fa tsy makorely. Mbola zandriko mihitsy, ny endrik’izy ‘zay. Izay koa angamba, no nampijoboka ahy, fa sendra ny afo aho, tonga dia may. Eo hakao pasitera, hanadiovam-panahy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vata-mangatsiaka
VATA-MANGATSIAKA
RRAG
VATA-MANGATSIAKA Minitra vitsy monja, no hany nahavelomany. Segaondra fohy dia fohy, no navela nitolomany. Vao teraka izy, dia nalavon’ny tany. Tsy misy ràtra, mafy toy izany, hoe: “Mamoy ny anaka, fotoana vitsy”. Amin’izany izy ireto, toa kambana mihitsy. Vata-mangatsiaka, tsy misy fofon’aina. Vata-mangatsiaka, tsy afa-mitaraina. Resy sahady, ireto natera-dReny. Resy tsy niady, tsy mba navela hiteny. Tsy navela hisafidy, ny lalan-kombany. Fa vao ary dia, hatoto-bovo-tany. Miangatra loatra, ‘ty lanitra ambony. Ny fahorian’ity Reny, toa tsy tsapany akory. Ny alahelony, mainka tsy ho tana. Izao no mahatonga, ilay hadalana. Manimba ny saina, ity filafila. Zaza vao teo ve dia, efa dila? Tsy manam-pofon’aina, ny fony tsy mitepo. Angamba kosa izay, tsy vitan’ny sento, fa ferin’ny aina, enti-mandramaty. Reny toa an’iza, no mety hahatanty! Hahatanty hijery, ‘ty vata-mangatsiaka, ny zanany kambana, izay tsy ho namantsika?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-taona
NY TAONA…
RRAG
NY TAONA… Dimapolo taona aty aoriana, tsy mbola aloha fa aoriana, ity nosy Madagasikara, noho ny pôlitikan-tseza. Ady toerana, fifikiran-tseza, halatra, sy kolikoly mahabaoty. ‘Reo no re mazàna, ankoatra ny famenoam-paosy. Noho ny vola, sy ny harena, dia misy sahy mamadika, miantso fahavalom-pirenena, mba hamono sy hidaroka. Dimapolo taona aty aoriana, mbola hafaran’ny farany. Vokatry ny fitiavan-tena, ataon’ireo mpitondra sasany. Vola, kolikoly, halatra, pôlitika, fototra mandrava, ny nosy mamintsika. Nentina nanitsaka, ilay fihavanana, sy nentina namotika, ‘lay teny hoe namana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eh
EH!
RRAG
EH! Indrisy mantsy, noheveriko handalo, ‘reo raho-mainty, ka hiserana! Andro vitsivitsy izay, toa tsy nanam-pahataperana, saronan-javona matevina, ity foko mitalaho. Tsy noheveriko handràtra, ka hamingana ahy akory. Ela loatra anefa izay, ity izy vao mba tony, fa leo ny masoko mijery, sy mandinika izany. Osa sy ory koa ny foko, noho ny hetraketrakin’ny tany. Diso angamba ny eritreritro, raha milaza anao tsy tia. Iza moa no hinoako, sy ‘ty foko tena tia? Niezaka aho ny nanadino, nampitony ny eritreritro. Iza anefa no hantenaiko, raha maizina ny efitro? Firy no mba sahy hamboraka, ny fitia ao am-pony? Iza no mba sahy hangoraka, ny olona tsy tiany akory? Toa manofy antoandro aho, sa mandalo ny fisainako? Onja toy ny onja rehetra, no natao ho sedram-piainako. Sisa sa anjara ihany, ianao r’ilay niriko? Izy sa sarisary, ny fitiavanao ry tiako? Eh…! Very hevitra aho, ka aleoko mangina. Satria ianao ‘lay nantenaiko, tsy nijery fa variana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/reniko-foana-iny
RENIKO FOANA INY…!
RRAG
RENIKO FOANA INY…! Tsy fidiny ho azy no nitrongo vao homana. Ny hohaniny anio rahampitso vao ho hita. Tsy safidiny koa ny ho tafitohana. Nefa atao ahoana fa izay aloha no vita? I Dada mba aiza, fa toa izy irery, no nanabe anay, hatramin’izao? Toa tsy hitako akory ny mijerijery. I Neny hoy ny olona no nahatonga izao! Tsy raharahaiko izay resakao, fa Reniko iny ary tsy hisy hahasolo. Lazao daholo izay tianao. Tia ahy i Dada ka tsy mba nikolo? Reniko foana iny ninoninona haratsiany. Tsy hisy hatakaloko azy akory. Ny hahatafita ahy no tena iriny. Izy ary ny alina hila tsy hahita tory. Tiaviko ny ahy fa tokako iny. Tsisy takalony tsy hananako firy. Raha i Dada nandao, moa hahasolo an’iny? Reniko iny ka aza tsiny, aza asiana teny firy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandalo-miserana
MANDALO MISERANA…
RRAG
MANDALO MISERANA… Ilay volana nandalo, nahiako ny hiserana. No nijanona ela teto, fa nanam-paharetana. Nefa izato ianao, mba nanokafako ny foko. Niovaova toetra, toy ny tsy nanan-tompo. Ny an’ny hafa toa, naharitra sy ela. Ny ahy sy ny anao, vao niandoha dia nianjera. Sarona havoana, sy zavom-be miloko mainty. Teny mankarary, sy esoeso tena tsy tanty! Ny masoandron’ny hafa, toa tsy mba mety takona. Ny ahy kosa anefa, ora iray dia efa sarona. Todim-pitiavana a? Asa, toa tsy hay marina, no injay manarona, ity fitia ‘zay nangalarina. Fitia noheverin’ny aiko, hitsabo ilay fo, zary olana namaky ny atin’ito loha, nanitatra ny fery, izay efa mba nikatona. Zoga ho an’ny tena, ny fitia namboarimboarina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rado-rado-na-george-andriamanantena-lavo-ianao-lay-mba-nantenaina-hanoro-sy-hananatra-ny-tanora-ankehitriny.-mba-hahay-hiaro-tena-handositra-tsiny.-rado-mangina-tanteraka-ny-vahoakanny-nosy.-misaona-ny-gasy-fa-tsy-hoe-nikorosy-ilay-andrareziny-izao-n
RADO…
RRAG
RADO… Rado, na George ANDRIAMANANTENA! Lavo ianao, ‘lay mba nantenaina, hanoro sy hananatra, ny tanora ankehitriny. Mba hahay hiaro-tena, handositra tsiny. Rado, mangina tanteraka ny vahoakan’ny nosy. Misaona ny gasy, fa tsy hoe nikorosy! Ilay andrareziny izao, no nandao ny tany. Nahoana raha fo Malagasy, no tsy mba hitomany? Ny vatanao no lasa, fa ny fanahinao tavela, miambina anay mba tsy hianjera. Manohana anay, mba tsy hivarina an-kady, tsy hamoy fo mbola velona, na dia mafy aza ny ady. Ny asa-tananao, mijanona eto, miantsa izany, dia velon-tsento, hoe: “Harena lehibe no navelan’i Dada, ho an’ny zanany sy ny taranany afara”. Rado, na George ANDRIAMANANTENA! Ilay andrarezin’ity firenena. Nantsoin’ny Ray, hody amin’izay, tsy ho tazana intsony, mandrakizay. Rado, Rain’ny gasy rehetra. Ilay nanoro anay, fa manam-petra, ny ratsy atao, ka mety hitamberina. Ny omaly ihany, no mbola hiverina. Rado, misaona tanteraka ity firenena. Rado, mitomany anao ny mpiray firenena, satria lasa ianao, ‘lay tsy manan-tsahala. Mandria am-piadanana, ry Dada malala.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nianatra-nanisa
NIANATRA NANISA…!
RRAG
NIANATRA NANISA…! Neny ô! Tany am-pianarana,‘zahay nianatra nanisa. Nalefa am-pilaharana, naraham-bisavisa. Niantomboka amin’ny aotra, mbola tsy ary isika. Ny iray nanararaotra, fa tokana no vita! Ny roa mihambohambo, fa hoe nahavita zavatra. Ny telo mihaza lambo, ireo mpandatsa-baratra. Ny efatra manafatra, ny ankizy hamita lesona. Ny dimy tsy tonga lafatra, sady toa mampiesona. Ny enina ry Neny! Maditra tsy hay tenenina. Ny fito kosa ireny, no manitsy ny tsipelina. Ny valo ilay mpananika, tanàna tsy ankiato. Ny sivy tsy asa marika, fa fara isa kanto! Mitambatra ny iray, sy ny isa aotra. Folo izy izay, fa ‘ndrao manararaotra. Raha sivy sy ny sivy, sivy amby sivifolo. Aza mora kivy, fa mitrakà daholo! Ny volana hono kay, miisa roa ambin’ny folo. Izahay mahay, raha misy mpikolokolo, misy mpanabe, mampianatra ny tsara. Fa raha ‘lay ramose, dia bebe ambara! Izany izahay, mba mitantara angano. I Ramosenay, no injay manganohano. Ohatry ny hitomany, fa malahelo hono izy. Dia nofafany izany, fa menatry ny ankizy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lavo-eo-ambony
LAVO EO AMBONY…!
RRAG
LAVO EO AMBONY…! Nihantona fotsiny fa tsy nianjera, hoy ny sangin’ity mamolava. Aminy angamba izany no dera, dia mahatonga azy ho basivava! Toy izany ny fiainana raha atao topimaso, misy ny mihafy fa vitsy izy ireny. Misy aza moa fototra ankaso, faka iray nandavo ny Reny. Lavo ny Reny, noho ny ditran’ny zanaka, ka fasana sisa no hany akaniny. Lavo tambony fa saingy tan-davaka, tapitra hatreo koa ny hikan-tomaniny. Miantso ny rà, izay ifamatorana, ka iza no ho lavo, raha misy manozona? Ny fiainan’ny tany, ilàm-pahamatorana, mba tsy hianjera foana, toy ny olom-boaozona. Miroso ny fiainana, na lavo azy i Neny, nianjera izy e! Ka tsy afaka hiteny. Tsy afaka hanova, izay lasa efa vita, Tsisy azo atao raha tsy, ny manarina sisa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofinny-foko
NOFIN’NY FOKO…
RRAG
NOFIN’NY FOKO… Hoavy ‘lay andro, hifohazan’ny foko, hitsiry fitiavana, tsy hatahorana hiofo. Fitia tsara voatra, sy mafy fototra, na sedra na olana, tsy hahavita hanototra. Fa vao mainka aza, hamoaka ‘lay sompitra! Hilaza ny foko, fa misy hazavana, mipoitra maraina, mitondra hafanana. Miboko mangina, ‘lay foko mitepo, tsy hamela azy haràtra, na ho velon-tsento. Hoavy ‘lay andro, tsy maintsy hamborahako, amin’olona iray, hiantefan’ny fitiavako. ‘Zay rehetra notanako, ho tsiambararoa, mirakitra ‘reo fery, sy ireo mahasoa. Hilaza ny foko, fa misy toerana, banga sy foana, ka mila tampenana, mila fenoina, fa hatahorany hamery. Ny lasa rehetra, toa zary tsianjery! Hoavy ‘lay andro, hanatonako anao, hibitsihako mangina, ‘zay raketin’ny foko. Fitia tena izy, fa tsy hoe kilalao, nefa ianao, toa hoe manan-tompo! Hilaza ny foko, fa izy no diso. Ny saiko handà, ka handiso anao. Mety handatsa, hanompa, sy hiantso tody. Dia hiahotra indray, tsy hanatona anao, fa aleo ny fitiavako, hiverina hipody. Hoavy ‘lay andro, mety hitomaniako. hilaza ny foko, fa noho ianao. Hoavy ny andro, handaozako ny tany, mino ny foko, fa ianao hitomany. Hibaiko ahy ‘lay foko, handeha miova toerana, nefa tsy eken’ny saiko. Fa sao indray diso toerana. Raha hoavy ‘lay andro, hifanaovam-beloma, dia aleoko miafina, tsy hanatrika ‘lay ora. Fantatro mantsy, fa tsy tantin’ny aiko. Tsy zakan’ny foko, tsy eken’ny saiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-zipo-fohy-ve-tsy-salaka-ihany-eh
NY ZIPO FOHY VE TSY SALAKA IHANY EH…!
RRAG
NY ZIPO FOHY VE TSY SALAKA IHANY EH…! Neny mazàna izaho manontany. Ny zipo fohy ve tsy salaka ihany? Samy toa zara raha misy takonana, dia aza gaga raha misy manolana! Fandrosoana hono, ny zipo fohy. Angamba kosa, efa ho adala itony. Moa ve tsy salaka, ny nanaovana fahiny? Dia niverina ihany izany izy ankehitriny. Reharehana ery ny an’ny hafa, nefa nalaina tahaka tamin’ny salaka. Mitovy firafitra jereo izato izy. Fandrosoana ve izao, tena mahakivy?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-ray-ao-ambony
RY RAY AO AMBONY…!
RRAG
RY RAY AO AMBONY…! Ry Ray ao ambony, ‘ty aho mitalaho, mba tsinjovy re, ‘lay Reniko ao. Reraka loatra, ny adim-piainana. Nefa tsy manana, izay hitarainana! Valio ny angatahiny, raha sitrakao. Fa hontsa anie Tompo, ‘lay Reniko ao. Valaka mihitsy, fa tsy afa-mitroatra. Ny sasany anefa, mbola manararaotra. Mbola misavily, ny harerahany. Maka tsy miera, ireto fananany, hany voangony, hamelomana anay. Mba jereo re ry Ray, ‘zay Reniko izay! Tsy maninona akory, na dia tsy ho isan’andro. Fa omeo azy, izay anjara masoandro. Ny fahasalamana, ny fitiavan’ny zanany, arovy ry Tompo, izay kely ananany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/trano-bongonay
TRANO BONGONAY!
RRAG
TRANO BONGONAY! Tsy hanananay raha, ny sezam-bahiny, fa ny anay akalana, izay seza fahiny. Tsy takatray ireny, ary tsy homby aminay, ka aleonay mihafy, amin’izay efa anay. Raha latabatra izany, toa manery trano, ny anay tsihy, toy ny anaty angano. Avalona fotsiny, dia efa vita. Na ratsy aza iny, iza no hahita? Iny ihany ny anay, no atao fandambanana, mahavita ny vitany, k’izay aloha no ananana. Tsy hiady amin’ny mpanana, mahavidy ny tsara. Dia lazao koa hoe: “Izahay no tara”! Trano bongo ny anay, tsy mba rafitra tany, fa rafi-jozoro, mampitomany. Efa akaiky hirodana, fa tsy misy azo atao. Fantatro anie e! Fa tsara ny anao! Nefa na izany aza, tsy atakaloko ny anay. Mety hoy ianao hoe: “Trano efa ho may”! Saingy ao ny ronono, ao ny tantely. Ka raha ady izany, any an-kafa mijery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tsia-satria
TSIA SATRIA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
TSIA, Tsy azonao izorana ny lalana nodiaviko Tsy azonao iainana ny fiainana niainako Tsy azonao tiavina ny zavatra notiaviko SATRIA ny fievitrao tsy mitovy ny fisainako Tsy azonao mamiana ny zavatra ankafiziko Tsy azonao lavina ny zavatra noTSIAviko F'angamba maminao ireo rehetra ngidiko Ka ny ENInao omaly, anio efa nolaviko Tsy azonao ihinanana ny fÿ efa nandramako Tsy azonao tsipahana ny zavatra nahiliko Nefa azoko ekena ny tenanao ho namako Raha toa ka takatrao ny teny izay natsipiko SATRIA: Ny haiki-nao tsy ENI-ko Ny TSIA-nao tsy laviko Ny maminao tsy teliko Ny lalanao tsy diaviko Ny fiainanao tsy sitrako Ny tanjonao tsy kendriko Ny efanao tsy vitako Ny anjaranao tsy tendriko Tsy anjaratsika angamba ny natao hiaradia Ka tsy ho sarotra amiko ny hanao veloma anao Mitadiava ianao izay soloko f'aleo tsy hifankatia Aza adino anefa fa mbola tiako ianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fiainana-hodiavina
FIAINANA HODIAVINA…
RRAG
FIAINANA HODIAVINA… Eh! Mba mpinamana ihany ve isika? Dia izaho sy ianao Rafahazazana. Toa ela tsy nifankahita, raha vao tonga, Rafahatanorana. Namam-baovao, akaiky ahy indrindra, nananatra ahy mafy, hanova famindra. Namana akaiky, fa mety mbola hamitaka, nefa tsy ho ela dia, izaho no hisintaka. Hiazo moramora, an-dRafahamatorana, hiezaka hitraka, ho an’ny ankohonana. Hanatanja-tsaina, ho lavi-pahakiviana, hikendry ny hahasoa, ireo fianakaviana. Fa tsy ho ela koa, dia tsy maintsy hiala, hamonjy akany vao, tontolo mamanala, feno hirifiry, tsiaro sy tsiahy. Tontolo-pahosana, rakitra ahiahy! Hisintaka hamonjy, an-dRafahanterana, ‘zay ady holalovana, an-tsento sy tomany. Fa anisan’ireo namana, nalahatry ny fiainana, hamadika ny nofoko, ho zary vovo-tany. Ka hiazo akany vao aho, dia ny fahafatesako, lalana hodiavin’ny fanahiko ‘zay trotraka. Na ho fasan-tany, na koa ho fasam-bato, no hilevenako, dia tsy afaka hisafidy, satria aho efa potraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lavitra-ahy-2
LAVITRA AHY
Fredy Jaofera
LAVITRA AHY Lavitra ahy ny momba anao ka asa, lahy, raha be vaovao ? Lavitra ahy ny sangintsika tsy voatahy raha toa adika. Lavitra ahy ny fanditra kely ka manahy, na tsy mamely. Lavitra ahy ny tantara nisy ka tsy sahy mamoha, indrisy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vetsonilay-tena-tia
VETSON’ILAY TENA TIA…
RRAG
VETSON’ILAY TENA TIA… Hosoratako amin’ny tany, ny anaranao, tsy ho voafafa intsony, ao am-poko ao. Hovetsoiko mangina, ihany koa izany, f’efa misokatra ho anao, izany fo izany. Ka hanjaka samirery, ao ilay fitia, raha toa izaho sy ianao, samy tena tia. Dia tsy hanam-piafarana intsony koa! Ilay tantarantsika, tantarantsika roa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/razambe
RAZAMBE…
RRAG
RAZAMBE… Voron’ny ala, fanilon’ny saina, olon’ny fitia. Niaro ny taranaka, fara-mandimby, nanoro ny dia. Ireo razambe, ‘zay namoy ny ainy, tamim-pitiavana. Tsy hohadinoina, na koa hovonoina, fa raketina am-po. Kintan’ny alina, taratry ny fo, ireo ‘zay nataony. Ka namoizany, ny hany fananany, sisa tavela. Sisa navela, handrotehana ny ainy. Hamotehana azy, ho vovok’indray. Ny teny zana-drivotra, mandalo miserana. Ny sora-mitoetra, mba ho fanarenana. Fa ny soatoavina, ‘zay nohitsakitsahina, no nanimba ny hasin’ity tanindrazana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandinika
MANDINIKA.
RRAG
MANDINIKA. Very hevitra, eh! Toa very dia ihany koa, mibanjin’ilay hoavy, sy ‘reo lazaina mahasoa. Mahasoa ny firenena! Tsy ho hangatahan-tambiny! Ka hibodoana ny hareny, sy ‘zay sisa ambinambiny. Sisa lovam-pirenena, ambim-potaka tavela. Navela hoentina maneso, handoroana ny hambom-po. Ary nenti-nandràtrana, sy hanindromana aty fo. Satria tsy sitram-panafody, ilay ozona sy tody. Aleo angaha mangina, mangina tsy miteny intsony, eto am-piatrehan’ady, ‘zay tsy mety ho tony. F’indrao mantsy handoro indray, ny faka sisa mitàna. Mba tsy hampianjera ity, Nosy tanindrazana malala!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ilay-fotoanantsika
ILAY FOTOANANTSIKA
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
 Isakin’ny tafahoana  Indray andro iny isika  Dia toa vetivety foana  Ilay fotoana hihaonantsika  Nanapaka ary isika  Fa hoe ho any Bemanonga  Fa hoe: any misy paradisa  Nefa indrisy isika fa tsy tonga  Any antsakoameloka any indray  Hoy ianao no alehantsika  Koa amin’izay fotoana izay  ho lava ilay fotoanantsika  Tsy hamitaka ahy velively  Hoy ianao nampanantena  Niombonantsika tamin’ny akia kely  Fa io fotoana io no ekena  Ambony loatra ve ny kintana  Koa tsy takatsika roa  Sa izaho no ratsy vitana  F’izay ataoko toa tsy to  Fotoanantsika roa manaraka  Dia tsy ho vita vetivety  Satria isika nifanaraka  Fa Hiara-hamonjy ilay fety  Telo andro tsy hahatongavana  Ilay andro fety be  Dia voatery nolavina  Satria ianao tsy maintsy handeha  Eny! Rava tanteraka  Rava fa tsy tafita  Ny foko ty toa ketraka  Indrisy ilay fotoanantsika  Lafitsara foana aloha jerena  Hoy ny saiko tsy mahafoy  Ny foko koa manantena  Satria ny fiainana mitohy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/reny
RENY…!
RRAG
RENY…! Mahantra fitia, mahantra harena, mahantra fitiavana ity firenena. Mivelona irery, tsy ankiteniteny, nivelona irery ity tanikely. Ry Reniko malala, ‘zay tsy misalasala, Reny tsy foy, tsy manan-tsahala. Reny be fitiavana, tsy mba miavona, Reny fitaratra, tsy avelako ho zavona. Niaritra ny mafy, rovitra fitafy, nihinana ny bitika, nihafihafy. ‘Lay Reniko izay, nijaly noho izaho, Neny tsy foy, tsy diniko ianao! Nitady ny mamy, sy izay nahasoa, nandefitra hatrany, fa manam-po. Miady amin’ny vintana, efa tsy anjara, ny fo feno fery, ny fitia mizarazara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tamberina
TAMBERINA…
RRAG
TAMBERINA… Indray taona toy izao, tsaroako mientana ao anaty, ‘reo fifaliana izay voaray, tamin’ny nahitako anao. Mitamberina ny lasa, Mifono, zava-manitra aman-tantely. Fa ‘lay tsiaro tsy mba maty, no injay nanova ny fijery. Misy ireo tena mangidy, toa mitamberina tsy satry. Minia mandrotika ny aina, asa! Mikiry hamono azy ho faty? Fa ‘lay tena mamy indrindra, mbola miserana ihany. Toa hoe mba tsaratsara rindra, fanafodin’ny tomany. Ny soa natao tsy mba fanary, fa hoe fahavalon’ny mosavy. Hiaro anao mba tsy hianjera, any amin’ny fiainan-drendrarendra. Ny tsara tsy mba fanadino, tantara io ka tsy fandoro. Tsiahy entim-po miarina, amin’izay sangodim-panina. Indray taona toy izao, nadio tanteraka ny lanitro. Afaka avokoa ny zavony, noho‘reo tsikitsikinao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/jamba
JAMBA…!
RRAG
JAMBA…! Jambanao ny foko, ry voninkazo tsy fahita, fa ‘lay izy saika hiato, hijanon-tsy hitepo, toa vao nahita anao, dia nanomboka nisento. Jambanao ny foko, ry voninkazo tsy fahita, k’injao ny saina no hany sisa, avela hamisavisa, ‘reo ràtram-po nidona, ‘zay toa tsy ho voatanisa. Ny fahitako anao, no nanamafy ity finoako, fa tsy ho ela dia hoavy, hanazava ny androm-piainako, ‘lay masoandro mibaliaka, hany afaka hitarainako. Eh! Jambanao ‘ty foko, ry voninkazo tsy fahita.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tenin-dreny-fahendreny
TENIN-DRENY… FAHENDRENY...
AbouNusrayni
TENIN-DRENY… FAHENDRENY... Rehef' ireo manam-pahaizana no tsapa ankehitriny --- fa tsy mahafehy akory anie izato TENIN-DRENY; Ka ny diplaoma ananany no avo sy ambony --- fa rah' resaka ara-tsoratra dia hita fa toa osa. Dia hatao mahagaga ve raha misy ireo tanora ---maro an'isa tsy dia nianatra nireninereny teny; No indro fa malaina raha mba hoe hamaky teny --- ka rah' vao misimisy andininy dia lazainy fa miavosa? N'inona n'inona ambara na koa hevitra ampitaina --- raha vao lavalava fotsiny aminy tsy mba ho ekeny; Ka raha ianao no mba mikasa ny handresy lahatra azy --- de diniho ihany izay fa tsy hanery azy kosa. Efa fantatra anie fa ny fandavana ny azy --- no hataony be aloha mba ts’ hiseho ny fah’lemeny. Tsy anomezan-tsiny azy anefa rah’ izay izany --- fa ny hevitra tsy takatra mah'tonga ho kanosa. Ny famaliana bontana sy ny filana ady --- ary koa ny fandrabiana no mba ataony fiereny; Ka mila fisaintsainana sy fahaizana mihemotra --- ny asa fitoriana raha toa tiana ho tontosa. Efa fantatra mialoha ny azy raha ny hambopo --- ka na marina no atoronao de tsy mba ho jereny; Koa raha ianao mikiry biby ny hiroso amin'izany --- dia tsy misy ho azonao afa-ts’ hoe ho maty fosa. Ilay maodely arahintsika anie ka niavaka tokoa --- ary ny fihetsiny malefakafa no tena FAHENDRENY; Ny lazantsik'ankehitrin' anefa hoe mahery fihetsika --- tsy azo ifandaharana ary tsy mba mampitrosa. Vokatr'ireo toetra ratsy novolentsika ihany --- no mahatonga ny finoantsika enjehina ombieny; Rah'isika no mba miezaka manarina izany --- d'izay asa fitoriana ho mora raisina hisosa. Vavolombelona. 10_07_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-hendry-na-adala
NA HENDRY NA ADALA…
RRAG
NA HENDRY NA ADALA… Ny hendry tsy manaonao foana, fa mieritreritra hatrany. Mieritreritra ny tsara, dia mandinika izany. Ny adala tsy misaina, tsy mba mihevitra ny atao, na mibanjin’ireo lasa, izay nitondra azy tao. Na izany aza, aza hadinoina, fa olombelona avokoa. Na ny hendry na ny adala, eny! F’ireo nandika lalàna. Omeo ny zon’izy ireny, fa ilainy mantsy izany. Omeo azy na hoe tsy hainy, mba hiarovana ny ainy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ny-hatsaranao
Ny hatsaranao
Ny Ela Nihetezana
Toy ny kinta-manjopiaka manjelatra eny ambony, Manampy ny hatsaran'ireo voary... sasak'alina! Manintona ny saiko sy itony foko itony, Izato hatsaranao, tsy mba namboarimboarina!! Toy ny boikan'doharano, miboiboika an'ala Manaingo ireo kirihitra, sy ireo karazan-kazo Tsy vitsy ny maniry mba hiantso anao malala, Ny hatsaranao rahavako, manintona ny maro! Ny tsikinao endrey, Mambabo ny mpizaha, Toa fela-midorehitra, maro mpaniry! Voankazo voaaro ao anatiny saha, OOh tia anao aho, fa aleoko mikiry! Ny taratrao mazava, rehefa mandririnina, arahinao fitsiky somary menamenatra! Ny vatanao mijajika, iriko ho fihinina Ny rantsan-tananao, tsy mbola misy peratra! Ny volonao mirotsaka zay lava tokoa, Tsy mila anampiana, tsy mila analàna Ny pitra-masonao, mandona ny fo, Mitafa aminao zary hahatamàna!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lasa-adala
LASA ADALA…
RRAG
LASA ADALA… Mametsovetso irony lasa, izay nodoran-ka tsy may. Sy ‘retsy zava-boakasa, tsy nisy efa na iray. Migogogogo mitomany, hampitoniana ny alahelo. Tsy nampisinda azy izany, fa toa vao mainka nampihelo. Lasa adala hoy ‘ty saina, dia mirediredy fotsiny. Ity fo ka be taraina, fa voatsindrona ny nofony. Eh! Toa misy fery lalim-paka. ka tsy hahitana izay ho atao. Minia ny mangala-daka, amin’izao fotoana izao. Kanefa, tsy ‘zay vony ratsy fototra, no indro atao mamaky loha. ‘Ndeha ataovy tsara tototra, mba ho ringana sy ho lo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ma-meilleur-prire
ma meilleur prière
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Jehovah ô: Ny finoana Anao no mamelona ahy Ny fahatokiana Anao no iainako isan'andro Ny fitantananao no tsy hananako ahiahy Iainako isan'andro raha mbola eto an-tany Raha ny fihevitrao tsy takatry ny saiko Fa lavitry ny lanitra ny tany izay onenako Re hampitomboy ny fahalalana ananako Hanompoko anao tsy misy hanenenako TOMPO Ô Tsy mendrika ahy anefa ny hiantso Anao Tsy mendrika aho satria mpanota hatr'izay Tsy lavinao anefa izay manaiky Anao Fa toloranao ny fiainantsoa mandrakizay Mifona re ry Ray, mivalo mitalaho Diovy fa tsy mendrika ity fo adala Aza akory lavina fa ekeo ho zanakao Inty aho raiso, MISAOTRA RAY MALALA.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-herim-po-fanary
NY HERIM-PO FANARY
Fredy Jaofera
NY HERIM-PO FANARY Ny herim-po fanary ka aoka tsy ho kivy, na tiana ny voasary, mba misy marikivy. Ny herim-po fanary ka reseo ny tahotra ialana amin'ny rary, na hita mivahotra ! Ny herim-po fanary ka mahaiza miroso hampamoa ny vary fa tsy hisosososo. Ny herim-po fanary ka aza menatra avy, mbola ho lavorary ny ora ka lolohavy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/fikobonana
FIKOBONANA...
AbouNusrayni
FIKOBONANA... Ianao mivoy mafy hoe tsy tian-dreo isika; Maniry ianao ny hoe mba ho raisiny am-pitiavana. Ka ny toetra asehonao aza toa mianjona masiaka. Ny fitandroana fihavanana tsy ananao finiavana! Ny fifandraisana aman'olona nataonao mangatsiaka. Ny fihetsikao rehetra mampiseho fikobonana. Atao ahoana ny hitory nefa ianao tsy mba sariaka; Ny endrikao aza tsy aseho fa nasiana fanakomana. Ny finoana FAHALEMANA*** raha tonga an'Afrika; Tsy noho ny fitiavan'ady sy herisetra niely patrana; Fitandroana fiaraha-monina mba tsy hisy ny tomika; No nampiroborobo azy sy tena nahazoany vahana. Izaho aloha manahy fa sao mba misy politika; Iniana atao mihitsy hambolena fankahalàna; Efa vitsy an'isa izao ve de mbola mahita fika; Handrangitan'ireo sasany hamoaka fandraràna. Raha madio toko ny saina, sanatria tsy mba hivika; Ny tokony hatao? Manapariaka fahalalàna. Izay ihany no hampitony andry zareo alerjika; Ny maharesy lahatra dia fifanazavàna. Fahamboniana saina inona no mba hananantsika; Raha hanilika ny hafa ka hivoy fandravàna. Ny sasany amintsika toa efa liana rà mandriaka; Tsy finoana intsony izany fa dia tena hadalàna. Ny fahalemem-panahy no tena hany erjika; Ahafahana misarik'ireo tapaka sy namana. Raha toa tena masina fa tsy joko tsoriaka; Andao hiara-mientana, ny adidy iaraha-manana. Vavolombelona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iarivokeliko
IARIVOKELIKO!
RRAG
IARIVOKELIKO! Indro mantsy ry Iarivo, nosaronany tanteraka, ‘lay masoandronao. Indrisy mantsy ry Iarivo, fa dia ranomaso indray, no natao iainanao. Dia hovetsoin’ny mponinao, an-tononkalo sy an-kira, ny fitiavany. Hisoronany ny ainy, sy ‘zay hany mba fananany, ny fahaleovantenanao, sy ny fahafahana, izay anao hatramin’izay. Fa aminy: “Ny ainy mety lefy, fa ‘lay fitiavany kosa, tsy ho may”. Indro mantsy ry Iarivo, potika sy rava, izato hoe mba endrikao. Ilay noheveriko ho toby, vata hitoeram-po, izay mamelona ahy. Vata volamena, zary nofiko, fa vatan’ny fitiavana miaro ny fanahy. Dia ho tanteraka eto ve, ‘lay nofiko omaly, fa ho rava ianao? Indro mantsy ry Iarivo, tsy tantin’ny foko, ny hahita anao tomany, ho foana, ho potika sy ho simba, ary ho lasa vovo-tany. Ry Iarivokely, izay akanin’ny firaisankina, resy ianao anio. Tsy manan-kevitra, sy hery enti-miady intsony. Fa dia malemy, tsy afaka mitsangana, noho ‘lay fo tsy mety tony. Ry Iarivokely, resy ianao anio, resy aho anio!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mifona-aho
MIFONA AHO!
RRAG
MIFONA AHO! Mifona aho ry tany, mivalo aminao, fa tsy efako ny adidy, izay napetrakao. Variana mantsy aho, nandinik’irony lasa, sy ny lefony nandràtra, ‘ty fonao ‘zay nitalaho. Mifona aho ry tany, fa tsy haiko ny ho atao, hanohizako ‘lay ady, efa natombokao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tsiriritra
TSIRIRITRA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Taitra tampoka aho nahita anao nandalo Fa mantsy teo no taitra lay fitiavako natory Niainga moramora ny vavako hikalo Kay ny anaranao tsy fantatro akory NY TSIRIRITRAKO Nandalo ianao niherika, nifanojo tamin'ny jeriko Tsy viniliko ny masoko ka lasa ianao nangarika Nitsiry tato ampoko hoe raha ianao no ateriko Nefa.,,, Faniriana ihany na dia efa voasarika NY TSIRIRITRAKO Topimaso ihany no azonao atolotra Tsiriritra ny ahy no azo tanterahina Fa lavaky ny nofy mety tsy ho voatototra No ifandraisantsika ka tsara raha tapahina NY TSIRIRITRAKO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-vidiny
MISY VIDINY
Fredy Jaofera
MISY VIDINY Misy vidiny ny hafatrafany fa tsy fidiny ny loza afany. Misy vidiny ny hatezerany f'efa ngidiny raha noferany. Misy vidiny ny ady mafiny feno didiny 'zay nafafiny. Misy vidiny ny alahelony raha adidiny ito avelony !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/hahadimby-anaran-dreny
HAHADIMBY ANARAN-DRENY
fanasina7
HAHADIMBY ANARAN-DRENY Ry zanako ! Raha misy fanomezana, dia ianao no "Sarobidy" Tsy hita holanjaina, tsy hay tombànam-bidy Ny vola aman-karena, tsy misy azo ampitahaina Satria ianao ry zanako, dia tena sombin'ito aina. Ry zanako ! Ianao no fifaliako, ianao no reharehako Ianao no tabihako, amin'ny androm-pahanterako Ianao no mameno, izay banga ato anatiko Eny, tsy ho afaka am-bavako, mandrapahafatiko ! Ry zanako ! Raha ankalazaina, sy tsarovana anio Ny nahaterahanao, dia izao no tadidio : Fa mbola tsy hàry akory ianao, dia efa nankalazaiko isanandro Ato am-poko, tsantain'ny vavako, raha mbola miposaka ny masoandro Koa mahaleòva mahalasàna, ho hambinin-java-tsoa Eny, hotahian'ny Tompo e, ka ho lasa alavitra tokoa Ho tò daholo izay hirìna, hisònga avo ombieny ombieny Ho henin-kaja sy voninahitra, ary hahadimby anaran-dreny. "Joyeux anniversaire !" (mpanoratsora-poana) Rohy Pejy Fesiboky :
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/ody-fitia-tena-mandaitra
ODY FITIA TENA MANDAITRA
fanasina7
ODI-FITIA TENA MANDAITRA F'ahoana Razily no toa mitan-tsaoka a ! Sady toa mivembena toa ny mamon'ny toaka ! Hono ho'aho lesy, mba aiza ho aiza, No misy dadarabe tena mahay mitaiza ? Hitady odi-fitia aho lesy hitazomam-behivavy a Fa izay niaraka tamiko, dia nisintaka aby. Ka manomboka izao, raha mahazaka ankiray Dia mba hifikitra amiko mandrakizay ! Torohevitra tsotra no homeko an'ialahy D'izay nolazain'ny Ntaolo sy ireo anti-panahy Hoe, ny VOLA anie hono no maha rangahy eee Ka vao homen'ialahy vola izy, dia mety hafahy. Io no odi-fitia, izay tena mandaitra Vao mahita vola izy, tonga dia taitra Ireo mbola mpitovo, vao antsoina io dia avy Mety ho azon'ialahy koa, hatramin'ny efa manambady Ataovy maro ny vola, arantiranty vehivavy Fa ho hitan'ialahy eo, fa maro no hanatona ho azy. F'izay manam-bola Razily a, kanefa ratsy tarehy Dia azo antoka mihitsy, fa handripaka be Io no odi-fitia, hatramin'ny fahagola Fa ny vehivavy rehetra, dia adalam-bola. Ô lehiretsy a, mitadiava vola raha te ho tiam-behivavy F'io no odi-fitia hisaritana azy. (mpanoratsora-poana) Rohy Pejy Fesiboky :
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/alina-mangina
ALINA MANGINA
Tara-masoandro
Izany hono, ny alina fahavalo? Kanefa toa nanjary lasa namana tsy foiko Fa mandondona fanahy hiainga mba hikalo Ireo nofinofy mamy, manenika ny foko. Dia ampanoratiny aho mandritra ny ora maro. Injay fa enoko, ho mitsingevaeva Ilay saiko izay mahita ireo loko mifangaro, Toa sarotra hazavaina, fa soa sy tena meva. Tena babony aho, fa aza omena tsiny Nanjary nifaningotra ny fo sy ny sainay, Ka toa tiako ny angolany, ny hantako toa tiany, Anaty soratry ny penina no hifandraisanay. Alina manginako, sakaiza tena mamy. Na mafaitra toa inona ny tsiron'ity fiainana, Na mavesatra toa inona ireo senton'ny tomany. Dia ho tony lalan-dava ny fo sy ny fisainana, Satria, voatambitambinao amin'ny teny tsy voaisa Ry alina sakaizako, namolavola ahy koa, Ho olon'ny fanahy, hivetso sy hitanisa Ireo nofinofy mamiko, mahasambatra ahy tokoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahantrana
FAHANTRANA
Fredy Jaofera
FAHANTRANA Fahantrana ny tsy tiana sy lalàna hijaliana. Fahantrana ny mizaka ka rarana sao vaka. Fahantrana ny taraina, ny hiovana no ilaina ! Fahantrana ny tia tena ka fafana na fefena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/hataka
HATAKA
NY HERIMAR
Hataka. Ry Raiko ao ambony, Mangataka e aminao Omeo saina tony ity zanakao; Aza avela ho saropiaro amin'izao rehetra izao sy amin'ity fiaina-mandalo; Mitalaho e raha azo atao, Omeo fo madio koa sy saina tsy miahiahy Ireto masoko anakiroa, aza avela ho sahisahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/dia-lavitra-anatinny-saina
DIA LAVITRA ANATIN'NY SAINA
Tara-masoandro
Andao ianao fa ho entiko Hitety ny tontolo anaty saina ihany Ka ho voatetintsika, na lanitra na tany, Indrindra fa ny rano, ny tendrombohitra avo. Tsy ho adino ihany koa, ireo biby sy ny hazo. Henoy izany rivotra, mitsoka sy malefaka, Mamelombelon' aina, sy ny saina izay ketraka. Ny hanitry ny tany manentoento ery, Mampitonitony fo, no sady koa maha te ho tia. Jereo ange tazano, fiakaram-be mideza, Io no hizorantsika, koa dia mahereza Aza kivy, andao fa miaraka amiko. Raha vizana ianao, ao fa ho tantaniko. Itanao fa niala, ilay rarin-tsainao teo, Nanjary feno tsiky, ilay endrikao toa leo ny dinitra arotsaky ny asa mankadiry Fa izao ianao, nilaozan'ny hirifiry. Fotoana fohy monja, dia hizotra lalan-tsara Tazanao va io? Indro trano kely rava Koa mahareta kely, minitra sisa isaina. Eo isika no hijanona, hisento sy haka aina. Dia atopazo ambony, ireo masonao hijery, Ireo voromailala sy ny vorom-be mahery, Dia atongilano indray, ny sofinao handre Ireo feony manako, manainga anao andeha, Hanaraka ny diany, hisidina toa azy, Ka ho adinonao ireo lasa, ireo jaly sy ireo ady. Fa anatin'ny habakabaka iny No afahanao mifantoka amin'ny ankehitriny. Etsy indray ary ho entiko, hitety ny ala maitso, Ka ho hitanao daholo ny manga sy ny paiso... Ireo voninkazo dia, hamalifaly anao Ho tazanao ireo biby hiravo sy hilalao. Itanao fa kanto, ireo karazan-java-boary? Sitrana daholo ilay nofonao narary, Ka ho tohizantsika amin'ny dia amoron-drano, Tarafin'ny masoandro, madio manganohano. Jereo izato onjany, mitopatopa maivana Ny hazan-drano miarahaba, mahalasa ny fisainana. Toa manainga ny fanahy iantsoantso hoe: "Veloma ry adin-tsaina, fa ny zava-boary indray no mahatonga ahy hiaina, Am-piadanana aok'izany, Ka ny heriko tsy ho lany". Itanao fa tsara, izay diantsika izay? Fa eto ianao no ajanoko, koa mandram-piaona indray. Ny hafa indray no ento, anaty zava-boary Mba ho afaka amin'ny rivotra, maloto, mankarary.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/modia-ianao-ry-zanako
Modia ianao ry zanako
fanasina7
Anaka ! Modia aty am' Dada, avia aty am' Neny Aza mampijaly tena, aza miafiafy irery Fa i Dada tsy hibedy, i Neny tsy handatsa Fa rano tsy azo raofina, ny hadisoana tamin'ny lasa. Tsy mba bitsibitsika etsy, na filaza "honohono" Fa ny masonay no mahita, ity ianao maty vono Ny tarehy mivindambindana, ny maso mangamangana Ny famindra mikivila, ila tsy ho tafatsangana. Koa modia ianareo mianaka, modia aty an-trano Modia sombinaiko, sao hidirana angano Tena marary ny fonay, hoe ilay zanaka niadana Dia nijaly rehefa lasana, ataon'ny vady mangana. Vitantsika anaka, raha izay hoe zaza iray Ampahafirin'ny kamboty io, na ireo itsoahan-dRay Aza ataonao sakana, irony adintsika fahiny Efa voalevinay ny lasa, efa nivalona iny pejy iny. Irony fitia voaràra, tsy mba nazahoana tso-drano Dia mazàna mampijaly, rahefa tonga an-tokantrano. (mpanoratsora-poana)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tsiaroko
TSIAROKO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Matetika mihitsy no latsaka ny sentoko Fa mahatsiaro anao any lavitra any Ny anaranao no hany sisa mba fivetsoko Ts'isy hafa tsy sento no mba tafitako any Raha any ianao tsarovy ireny lasatsika Izay ampaha-piainana kely tamin'ny androko Dia lay tetezan-kely niarahana niam-pita Mafy nosedraina fa nandravaka ny fiainako Mino aho anefa fa any andro iray 'Lay ora iray tsy ampoizina any aoriana any Dia lay nofy antenaiko fa ihaonantsika indray Ka tsy hivetsoako intsony ny sento tsy ho lany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/kifosam-pialonana
KIFOSAM-PIALONANA
fanasina7
KIFOSAM-PIALONANA Ramatoa : Ô rangahy a, avia anie topazo maso Ry zareo ato atsimo, mifampiantsoantso Misy fiara be io, irony mpitondra entana Asa inona no ao, no dia faly ery iry vendrana ! Rangahy : Raha iny baoritra batainy iny, dia toa fahitalavitra Anefa izay tena ao anatiny, tsy misy mahavoafaritra Mety fripy no ao anatiny, fa mba te hisehoseho Fa na ny nohaniny omaly aza, vao hotadivindry zareo. Ny ankizy : Sady ry zareo ry papa an, rehefa mihinam-bary Dia tsy mba misy hoe desera, tsy mba misy hoe lasary Ka raha ny ao anatin'iny baoritra iny, dia tsy pôsibla* ho tele Fa raha ny fari-piainandry zareo, dia tsy hahavidy lafobe. Ramatoa : Raha tena tele iny, dia mety azo tamin'ny halatra F'ilay rangahy ao "hono" mpisoloky, efa be no mahafantatra Ny ankizy : Ilay lahimatoa aza "hono", toa mpisam* eny analakely Ilay vavimatoa indray, toa manao makorely. Rahoviana ny fialonana, vao ho afaka amin'ny Gasy Fa raha ny kifosa no balam-basy, dia efa betsaka no maty. (mpanoratsora-poana) Rohy Pejy Fesiboky :
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/foko-malokila
MBOLA MANINA!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
MBOLA MANINA! Fa toy ny vao omaly ianao no teo an-tanako fa toy ny vao omaly ianao no teo an-tratrako Sisa, ny fara-vodilanitra tomara-bolamenan' ny masoandro tankariva no sakaizan'ity maso ny vina sy ny visa ny sento sy toloko ny saiko mitanisa ny alahelon'ity foko Fa, mahamanina ahy ity moron-drano tankariva nampitambatra ny fo izay nampiray antsika ankehitriny, velombelon-tsento manina olon-tiana mikalo sy mivetso tsy manampitoniana indrisy, ny foko ankehitriny toa manina mahatsiaro manembona ilay tiana ka malomalok'ila saingy, efa sambatra any ho any ilay silako fahiny efa nanadino hatrany ka tsy omeko tsiny! fa samy manana ny tiany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mandoro-tanindrazana
AZA MANDORO TANINDRAZANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Madagasikara, nosy meva, tena kanto; rakotra ala fahiny, na aiza na aiza’aleha. Nahasarika ny maro, izay tonga mba handrato, ny hatsaran'ny natiora, ka lasa ho rehareha. Maro ireo zavamaniry, hita eny rehetra eny, nampiavaka ilay Nosy Madagasikara. Toy izany koa ny biby, hita ombieny ombieny; tsy fahita n’aiza n’aiza, tonga lafatra sy tsara. Indrisy, ankehitriny, ilay nosy maitso lasa mena; ny renirano nikoriana, zary moana sa nangina; ilay nosy tia nianjaika, toa mifono lambamena, noho ny dorotanety, ankaso atao fanahy iniana. An'arivony hekitara ny ala may isan-taona; an'aliny ihany koa ireo biby, tsy nifidy hamoy aina. Izay rehetra jerena, tontolo mainty toa misaona. Maro ihany am'izany, ny tsy mety tonga saina. Rahoviana re, no ho tonga saina, isika Malagasy? Na ny manam-pahefana, na ny vahoaka madinika. Hiandry tany karakaina ve, sao re hangasihasy! Hanjoretra, very saina, tsy aleo ve mba mandinika. Ny ataontsika ihany, no mifototra amintsika. ny nenina tokoa tsy aloha, fa aoriana. K’izay rehetra mba nafana, ho lasa mangatsiaka; ary ‘zay nangatsiaka, hahamay sy ho fahoriana. Ajanony hatreo ny fandoran- tanindrazana, izay tena manabotry sy mamono firenena; raha tsy izany izay jerena, dia ho lasa ngazana. Tontolo tena resy, mampitomany mahonena. Tonga re ny fotoana, ‘ndao samy hamboly hazo. Hikajy ny tontolo iainana, mba samy ho tamana; ka na ny zavamaniry, na ireo biby, mba hahazo, ny fiarovana sahaza, hisitrahany ny mana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/hafaliana-miavaka
HAFALIANA MIAVAKA...
AbouNusrayni
HAFALIANA MIAVAKA... Nisy hafa indray omaly; Faniriana iray tanteraka; Tonombavaka nivaly; Tena lesona mipetraka. Moa ve tsy mahafaly; Ny mahita fa nitombo; Ny ho lavitry ny jaly; Satria nankato ny Tompo. Ary tena itiavako azy; Tsy mba nisy fiarakaraka. Avy hatrany mariazy; Hafa m'hitsy sady miavaka. Izay ilay hafatra ombieny; Na tsy maro mpankato; Izay manaraka ny teny; Tsy mba ho voadona fo. Ireo ola-miantota; Mahavoa dia efa hita; Fa nateraky ny ota; Sy ireo hadalana vita. Efa tena voasoratra; Rah' tsy milalao fitia; Tsy manandrana, manohatra; Dia ho sambatr'ho doria. Ny toa azy ireto ho tafa; N'inon'inon'efa heno; Ny fiainany taloh' voafafa; Ny hasambarany ho feno. 10_04_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tontolonny-poeta
TONTOLON'NY POETA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Tsy mbola niova akory ny teny ho lasa soratra Tsy akory mbola teraka ny gazety sy ny boky Dia iny ianao no resy tamanan-drotsirotsy Tanaty nofy lalina tao anaty tory Rendrika tanteraka, tsy mahalala akory Fa efa niandry anao ny tontolo tsara voatra Tontolo hafa iray mahatonga anao hitroatra Tsy hipetrapetraka sy tsy hitony mihitsy Dia io ilay tontolo any ambadiky ny misy Any lavitra any nefa tonganao matetika Tontolon-javakanto, ilay TONTOLON'NY POETA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/clarisse-ratsifandrihamanana/hitako-nitafitafy
Hitako nitafitafy.
Clarisse Ratsifandrihamanana
Hitako nitafitafy ny lelam-baravarany Ka nandiso avy hatrany ny zavatra nambarany Satria nilaza tamiko izy: "efa fefika ny zahatra" Rava teny anivon-drano, tsy mba nisy izay namahatra." Efa fefika ny fo ka tsy re ny emponempony Nisamboaravoara mafy dia nangina ny fitepony Ka ny aina nihararetra, ny fitia namboloina Samy foana avokoa, tsisy ako iray hanoina. Oh, nilaza tamiko izy fa namita sy namarana Ary efa nanadino ka nanapaka tarangana Iny nofiny aza, hono, nofefeny tsy ho ahy Notsipahiny avokoa ny fatoran'ny fanahy. Kanjo, raha nandalo aho, hitako ny harangarany Fa nisokatra tsy nahy ny lelam-baravarany Rava teo ny finoako ireo zavatra nambarany Ny kapoakan'ny fitia tsy mbola tapitra nararany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/ny-adinny-mpivady
NY ADIN'NY MPIVADY
fanasina7
NY ADIN'NY MPIVADY Raha mbola azo atao, aleo tsy miditriditra Amin'ny adin'ny mpivady, hita mifangodiditra Androany ireo mikorontana, ny ampitso efa milamina Ianao te hanelanelana indray, no zary lasa fanina. Tsy mpivadivady foana manko, ny olona ankiroa Fa misy tsiambaratelo, tsy ifankafoizan'izy roa Aza gaga raha mahita, lehilahy mandry an-tatatra Fa mbola iny ramatoa, tamy misintona azy hiakatra. Misy aza ireo miady, mifanompa teny ratsy D'ianao mananatra azy indray, no mahazo teny gasy Koa aleo tsy mitsabaka, mipetrapetraka sy mionona F'ireo maraina miady, anefa ny alina dia miombona. Ny fiainan'ny mpivady, dia feno misitery mahafanina Koa aza maika ny hanambady, izay tsy mahatanty sangodim-panina. (mpanoratsora-poana) Rohy Pejy Fesiboky :
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/bye-bye-fa-tsisy-hevitra
BYE BYE FA TSISY HEVITRA
fanasina7
BYE BYE FA TSISY HEVITRA Hay ve ny lehilahy, mba mahatsiaro maharary e Rehefa ilaozam-behivavy, dia maro ireo mijaly Tsy mahinan-kanina, mihamahia isan'andro Ary ny sasany aza moa dia indro lasa mivari-lavo. Misy mikoretaka, rehefa injay mitoetra irery Tsakotsakoin'ny nenina, ka mahatsiaro hoe tena very Misy mandohalika, miforitra mivavaka Efa ho amam-bolana, mbola manantena valin' hataka. Io vehivavy io lehiretsy a, rehefa tia dia mahalefitra Fa rehefa izy izay no lasa ... "bye bye" fa tsisy hevitra ! (mpanoratsora-poana) Rohy Pejy Fesiboky :
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boyanjah.rz/ray-o
Ray O
Boyanjah.RZ
Ray ô!! avelao fa diso ity maditranao variana sy mania,tsy mahalala izay atao Tsy mahalala akory izay hiafarany Fa maka mamy loatra ity fiainan-tany Ray ô! Tsy mendrika akory ny hiantso anao Kanefa re ry Tompo ô! miangavy mitalaho Aza tsaroana akory ireo ratsy izay niniana Ka aza ariana re e!! raha tojo fahoriana Ray ô! maniry fatratra aho ny mba ho diovinao Hiova sy handao ,ireo ratsy izay fanao Fa kosa mba iandrandra ilay fiainana any ankoatra Tsy iandry any aoriana ,fa ndrao ho tara loatra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ngidim-pisarahana
TSIARO ANAO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
TSIARO ANAO omaly tankariva sembantsemban-drahona no indro tovovavy namikiviky an-tongotra nianjonanjona famindra ontsaontsan'alahelo kotsakotsan-dranomaso ka zary malok'endrika angamba ny aty fony feno ratran'olon-tiana feno fatrana-hakiviana ka niako tao an-tsainy ny feon'ilay famoizam-po mantsy mafaitra sy mangidy ny dona ny fitia ka zary tonga hira milaotra avy am-po ny aretin'ny fitiavana ireo akom-pahatsiarovana ireo tosy nitambarana ireo tsiky niombonana ny fo nihanoka hasambarana ireo rehetra ireo efa voatahiry tan-diary ka sarotra hadinoina tsy laitra nofafàna mantsy tsy nasiam-panenenana fa ny masaka ao an-tsaina ny hamono ny eritreritra anaty ny aizim-pito saingy, iky eny teo amoron-tevan' ilay famoizam-po no sendra mba nanopy maso hibanjina hijery ny am-paran-danitr'iny ka nahatazan-olon-droa mikisarisarin-drahona ary fo mitambatra ho iray ka nitamberina tao an-tsainy ireo dina ny fitia kanefa, hody, hivimbina alahelo hiverina, hilanja maso bongo hijanona, sakaizan-tsento irery handohalika, toa hizioga ranomaso indrisy! mafaitra sy mangidy ity dona ny fitia ka zary tonga kalo milaotra avy ao am-po ny aretin'ny fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/manala-baraka-vehivavy
MANALA BARAKA VEHIVAVY
fanasina7
MANALA BARAKA VEHIVAVY Tsy hoe ny vehivavy foana no tiana tsikeraina Na sanatria ankahalaina, satry homena tehamaina Fa tena misy kosa, manao fitafy mampihomehy Na eny an-tsena io, na eny an-dalambe. Atao hoe adala, nefa toa misy saina ihany Atao hoe olon-kendry, nefa dia tena be vinany Efa programany izao, handeha hijery fripy Dia indro ny akanjo anaovany, f'irony mampiseho silipy. Tsy ankizy, tsy tanora, fa hatramin'ny efa "rabaofy" Dia manao akanjo manify, mampiseho ny kilaoty Ndao hatao hoe : tsisy fitaratra ao an-trano Fa dia tsy tonga saina mihitsy ve, nefa ianao tsy olo-mamo. Ny sasany moa dia be famaliana : "inona moa no idirana ? Samy manana ny fiainany io, ka aza atao mampanahirana" Tsy fantany fa ny masirasira kely, dia mampangidy rano iray siny Eny, manàla baràka vehivavy, ary mampibabibaby tsiny. Ny mpaka sary moa tsy tàra, mody mijery toa spekta Ny mitsikilokilo aza atao, maika fa mahita sinema direkta ! (mpanoratsora-poana) Rohy Pejy Fesiboky :
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/minitra-vitsy-monja
MINITRA VITSY MONJA!
RRAG
MINITRA VITSY MONJA! Oram-baratra mikija, mitety tafontrano, mandrotsaka tomany. Ilay tena lehibe indrindra, no nalavon’ny angano, hototofan-tany. Ranomason-jorontrano, ranomasom-boary an’ala, fahorian’ny fo mitroatra. Maty tsy mba tra-drano, toa tsy nisy mpahalala, tam-pahorian-tsy mivoatra. Minitra vitsy monja, volambe saronan-javona, no manazava ny tontolo. Toy ny fo iray voafonja, afovoan’ny avonavona, izay mainty manontolo. Mainka indray kikisa-nenina, dodosin’alahelo mafy, noho ireo tsiaro mitamberina. Saingy ny lasa tsy hiverina, efa toy ny olo-maty, tsisy lalana hiverenana. Minitra vitsy monja, dia fahori-misesy, no lanjain’ny fo mangina. Minitra vitsy monja, dia nivadika tsy ho fety, ity andro nampiakarany ny tiana. Minitra vitsy monja, dia nalàna tamin’ny tava, ilay fifaliana teny aminy. Minitra vitsy monja, dia nangina ilay kotaba, eh! Nilaozany ny akaniny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-lalana-iny
INY LALANA INY…
RRAG
INY LALANA INY… Toy izao ‘lay hafatr’i Mama, fony ny foko vao nitia. Mbola namafisin’i Dada, mba hahatsara izato dia. K’ireny no hany foto-piainako, notanako ho filamatra. Ekeko anefa fa ny fisainako, tsy dia tena tonga lafatra. Iny lalan’iny anie malama, ka ilàna fitandremana. Ny kilalaom-pitiavana, dia mbola mety ho hanenenana. Tsy misy fo, eny tsy hisy! Hoe tsy hanana ny tiany. Ny mampijaly tia anefa dia, ahitàna tsiny! Iny lalana iny ry aiko, lalam-bao fa aza maika. Firifiry taminao moa, no mba mody tsy niraika? Ankehitriny anefa ireny, dia tafita avokoa. Ny fahaizanao mandanjalanja, no mitondra voka-tsoa. Iny lalanao iny, dia an-tsafidy fa tsy an-tery. Na izany nefa re, mba mahaiza koa mijery. Mibanjina ny lasa vita, hivinaniana ny hoavy. Nefa tandremo ihany koa, fa mety iny no mosavy. Iny re ry sombin’ny aiko, no sakanao tsy hiroso. Iny no fatorana, hihazona anao tsy mba handroso. Fa hihenahena toy ny vony, efa maina faka mihazona. Saingy mahaiza re mitony, dia alaviro ny avonavona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/masonny-fanahy
MASON'NY FANAHY
Tara-masoandro
Fa rahoviana ihany, Vao tsy handrotsaka tomany Ilay mason'ny fanahy, Toa matory tsy mba sahy Misokatra sy hifoha, Ka hikatsaka ny soa Handala fahendrena Hanadio fitondran-tena, Sy hametraka fitsipika Mba hitombo sy havitrika? Rahoviana vao hiandrandra Hibanjina ny ambony fa tsy ny ambany rava? Rahoviana vao hifoha, amin'ny torimaso mamy, Ka afaka handrava ny aloky ny omaly? Rahoviana vao handrodana ny sitrapon'ny nofo, Ka hizotra lalan-tsara, hahiratra sy hilofo, Amin'ny fitandrona ny aina Sy ny fandranitan-tsaina? Ka ho feno fahalalana Dia ho halan'ny adalana, Tsy ho voafandrika sy ho revony, Tsy ho mpianany sy andevony. Fa rahoviana ihany, Vao tsy hibanjina ny tany Ilay mason'ny fanahy, Fa hifantoka any ho any?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fo-miantsa/tsilo
TSILO
Fo MiAntsa
Mandehana re mandeha e !!! Rehefa fantatrao Fa tsy ho ahy mandrakizay Ilay raozy menamena Asidisidinao, Dia fihino samirery ! Fa zary lasa fery Sy mandratraratra Izato tsilotsilony !!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-foko-hely-resindroky
'TY FOKO HELY RESINDROKY...!
RRAG
'TY FOKO HELY RESINDROKY...! Miredareda mafy toa tsy hay vonoina ny atinao ry foko, mitroatroatra mafy mandrotika ny aiko! Aiza ho aiza teny ianao ‘lay hoe tsy foiko, fa zary lasa teny tsy afaka ato an-tsaiko? Ity fientanam-poko e! Rotidrotikao ry tiana, potika sy rava ka resinao tanteraka. Ny nofinofiko aza voarafitra ho vina! Ny foko izao malala a! injao fa nitselatra! Babonao tanteraka ny foko manontolo, injay fa re midoboka fa mihiboka hafaliana! Ny anaranao sy ny aminao dia tsy hisy hahasolo, k’izay no iantsoako anao hoe: “Malalatiana”! Efa sambatra aho satria tia ahy ianao, dia mba mamariparitra dina sy toky. Injao mangotakotaka te hofihininao, ‘ty foko hely babo sy efa resindroky!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/bala-sivy
BALA SIVY…
AbouNusrayni
BALA SIVY… 1.Ny fiarakarahana toy ny kodiarana, Raha sendra vaky mbola azo tapenana. Kanefa dia misy ny tsy azo anoharana; Hita ny soritr'ilay notsetsemana. 2.Io fitiavana'io anie tranom-bala; Izay tifitra atao mapihena ny vatsy. Raha hiovaova ny anao ny malala; Tsy hanan-katolotr'intsony atsy ho atsy. 3.Ny fo sy fanahy manko misy tadidy; Izay nambabo azy dia mamela marika. R'hefa tena tojo ilay voasafidy; Tsy izy manontolo intsony no voasarika. 4.Ho tapatapany sisa tavela; Raha toa variraraka ny fitifirana. Dia avy eo rehefa ela ny ela; Ilay fanambadiana tsy misy mangirana. 5.Ny tokantranon'ny Ntaolo taloha; No naharitra dia tsotra ny antony. Tsy mba nisy fiarahana mialoha;Ka efa mpivady vao hita ny hakantony. 6.Ao anatiny vao mahita manontolo; Izay vao mifanoro ny atsimo sy avaratra. Tsy misy "ex" mety hamono lolo. Samy voalohany ka mateza tomaratra. 7.Ny tena olana ankehitriny; Ny fanabeazana dia baranahina. Ny ankizy foana no omen-tsiny. Fa na n' lehibe aza ts'hita'ze ho arahina. 8.Izany anefa tsy natao hampifezaka; Fa tsiahy fotsiny misy ho dinihina. Natao hisariha antsika hiezaka; Mba hanatsara izay nomarihina. 9.N'inon'inon'izay efa vita; Misy hatrany ny azo arenina. R'hefa mba miezaky ny ho tafita; Afaka adidy ary koa tsy manenina. 23_09_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/neny-sendra-ny-tiako-aho-izao
NENY Ô! SENDRA NY TIAKO AHO IZAO…
RRAG
NENY Ô! SENDRA NY TIAKO AHO IZAO… Mientana mafy ny foko ry Neny, toa mitepo fitia. Sendra nanopy ‘lay maso nijery, dia ilay tena tia. Sady mba tiako a! Ny tsikin’ny tavany e! Toa volamena. Endrika kanto, hihaingoan-tsafira, tena harena. Neny ô! Vao nitopy ny masoko dia, sendra ny tiako aho izao. Faly dia faly, hiboka hafaliana, tsy mety miato, ity zanakao. Sendra fitia tsy tinefin-tanimanga, ary tsy mba sarisariny. Nefa aleo ny fiainan-koavy, no hilaza izay aminy. Fa tiako dia tiako iny raozy iny, toa tsy manan-tsahala. Ka izay ry Neny, no nahatonga ahy, hiantso azy malala. Hizaràko ny fiainako, amin’ny andro tontoloko. Neny ô! Ny fitiavako azy, toa tsy miala eo imolotro!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fo-miantsa/tselatra
Tselatra
Fo MiAntsa
Tselatra nandoro No reko tao anaty Vao nifampitopy Ny masontsika roa ! Toa fitia nijoro Sy efa vaky ambiaty No velona sahady Tany anaty tany Namelona vinany ! Dibok’hafaliana Ilay fo mampalahelo Sady namelovelo Ny andro tsy ho hariva Raha eo anilanao ! Saingy rava vetivety ‘lay nofy nomamiana F’ianao manana olon-tiana ! Indrisy…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mari-pahambaniana
MARI-PAHAMBANIANA
Fredy Jaofera
MARI-PAHAMBANIANA Mari-pahambaniana ny manimba zavatra, mifono habibiana sy alahelo fatratra. Mari-pahambaniana ny tia mamaly ratsy fa tsy ho fitahiana hahazoana vatsy. Mari-pahambaniana ny mialona fahatany hita ho faharatsiana tsy mahasoa ny tany. Mari-pahambaniana 'zay tia mamaly faty, tsy hahazo fitoniana ny sainy ka soraty !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lasa-aiza-i-neny
LASA AIZA I NENY?
RRAG
LASA AIZA I NENY? Dada! Fa lasa aiza i Neny, fa tsy hitako mihitsy? Sa kosa re, lasa any amin-dry Lisy? Lasa nanatitra ‘lay gisabe, ho an’i Kakibe, hohaniny amin’ny fety. Sa lasa eny amin-dry Dadatoa, sy ry Nenitoa ery Besarety? Lasa aiza hoy aho i Neny, toa tsy tazantazako? Angamba kosa izy, nividy izay ho anjarako, anjara kilalao, ho ahy amin’izato fety. Sa lasa nijery, izay laoka metimety? Hatramin’ny maraina, no tsy tinazantazako, tsy reko nihirahira, toy ny fanaony. Na koa mba nanokatra, ny hidim-baravarako, sy hoe namafa trano, tokony hataony. Fa lasa aiza i Neny e? Izaho malahelo vao tsy mahita azy. Dada hoy aho, eo mba lazao, fa aza atao vazivazy. Te hahita azy aho, te hamihina azy, te mba ho eny an-tratrany. Te mba hiantoraka, hiondanondana eny, fa manina ny safony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mifampitantana
MIFAMPITANTANA
Fredy Jaofera
MIFAMPITANTANA Tsy fantatro loatra ny aleha fa rehefa mifampitantana isika dia mazava kokoa ny izorana : ny foko aza tia rehareha, ny fiaina tsy misy tomika, mety ery izay ifotorana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianareo-sy-izahay
IANAREO SY IZAHAY…!
RRAG
IANAREO SY IZAHAY…! Izahay ve? Tsy mahita izay ho ambara, tsy manana ny hokianina. Tsy dia manamanam-bava, sady tsy mba mody fanina. Fa miezaka eny foana, milefitra amin’ny rariny. Io koa anie tsy lainga e! Hoe: “Samy manana ny mariny”. Ary ianareo? Moa ve mba mahatsiaro, izato hoe tenanareo? Moa koa mba mahalala, ny toetoetra am-ponareo? ‘Ndeha, ny lasa, topazo maso dia jinereo. Ka tsy ho ela akory dia, hisy fahagagana hiseho. Izahay ve? Tsy hoe aloha tena mpanana, ka manana ny araradraraka. Isaoranay ny lanitra avo, raha mbola misy koa ny arapaka. Fa ny kely hanana, hany kely eo an-tanana, no afaka mba nozaraina. Na dia kely aza ireny dia, mba azo atao ho tohan’aina. Ary ianareo e! Hatraiza ianareo no sahy, ka hanaiky ny handefitra? Firifiry taminareo, no mba nanaiky ny nilefitra? Nahatsapa-tena koa, fa any ho any misy mahantra. Ka nidradradradra hoe:”Eh! Mba miangatra ‘ty lanitra”.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lily-noelyne/ny-any-aminay-lay-akany
Ilay akany nitaiza
Lily-Noelyne
Ny any aminay 'lay akany nitaiza Tsy mety hadino na aiza na aiza. Na lavitra mantsy na mbola akaiky, Ny akany nitaiza tsaroa-mampiaiky. Ny any aminay 'zay tsinjo eny ho eny Toa endri-mitsikin'i dada sy neny, Ka rah'malahelo fa saraka ny any, Mionona kosa mijery an'izany. Ny any aminay tsy sasa-miandry, F'ireo kalokalon'ny zoky sy zandry, Rah'mbola lavitra ery am-bavahady, Ny feon'izy ireny dia heno sahady. Ny any aminay dia feno koràna: Miara-mivory eo andrefan-tanàna, Miantso tsiriry mandalo hariva, Mijery, mitsinjo ny masoandro iva. Ny any aminay 'lay akany nitaiza. Na hilaozana aiza na hilaozana aiza, Tsy mety hadino, vao mainka tsaroana, Takon'ny maso fa io manoloana. Ny any aminay 'zay tsara fivoatra, Mitokana ihany fa mamiko loatra; Akany nitaiza ny fahazazako Ka tena tsy foiko fa nihantahantako. ( Vaovao frantsay-malagasy, 2 mars 1951 )
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pejy-mainty
PEJY MAINTY…!
RRAG
PEJY MAINTY…! Tsy hanoritra ny tsy haiko aho ka handrava irony lamina, fa miezaka kosa aho mametraka arofanina, fetra tsy hodinganina hamaritam-bina. Hatsapanao tiako hoe: “Ianao no hany tiana, tsy maty ato am-poko foiny ianao tinazako”. Tokana ianao, ‘lay tiako izay notoaviko! Saingy mamy kely sendra tsapan-dela ‘ty fandalovanao, ka zary nofy tamiko ny hoe ianao handao. Maizina ny tany zavonan-draho-mainty, ilay safidiko iny no zary hoe tsy maintsy, ka aza omena tsiny raha latsa-dranomaso, fa amiko izao, no endrika ankaso! Satria tokoa ry tiako indray nipimaso dia rodana ny fototra, indrisy ranomaso niary kaiki-molotra, nenti-nampitony ny ràtram-po tanaty, nondesin’ny fitiavana ‘zay efa matimaty. Dia ‘njay nisaona indray ny foko efa resy, fa sendran’ny mpiankaso fetsy noho ny fetsy! Pejy mainty atokako hamaritanan’ny lalako ny fisianao, ka aza tsiny akory raha toa aho tsy hitalaho. Tsy hitalaho intsony ny hiverenanao hitsabo ny atim-poko, fa lasa nofinofy tsy nanohana ahy ‘lay teny hoe tsy foiko! Veloma mandrakizay ry ilay tsy tia, any ankoatra indray raha mbola hiara-dia!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nitomany-aho-fa-maty-ilay-mimy
NITOMANY AHO FA MATY ILAY MIMY…!
RRAG
NITOMANY AHO FA MATY ILAY MIMY…! Neny ô! Latsaka tsy satry, noho ny alahelo, ny ranomason-tavako. Raha nahita ireto, zana-tsakakely, fanintsin’ny jineriko. Misaona mi-miaomiao, anoloam-bata-mangatsiaka, mivalampatra eo anilany. Mitomany angamba ireo, fa lavon-dahatra ‘lay reniny, ka tsy hisy ny hifihinany. Neny ô! Nitomany aho, fa maty ilay Mimy, tsy mba manan-kialofana. Toa sakasaka dia, tsy mba fanta-tompo akory, mitady izy vao homana. Dia injay kamboty toa tsy fidiny, ireto anaka, nateraka. Honjohonjo teny ho eny, adin’izy samirery, ka nahatonga azy ho reraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/toa-zary-nofy-ihany
TOA ZARY NOFY IHANY
Tara-masoandro
TIMOTY JOSTO: 'Zaho hanao mpitsabo Médecine hafa kely Hikaroka sy hitady Hivezivezy toy ny tantely Tsy avelako raha tsy hitako Ny fanefitry ny fahafatesana Fa ny fasana efa feno Toa misy fitsetsefana Indrisy anefa fa... Toa zary nofy ihany Ny fiainana eto an-tany, Miserana, mandalo, Tsy afahanao mikalo maharitra ny vetsovetsonao, Hoe: " 'zaho hanao mpitsabo" No hiraina sy ventesina Afahana manaisotra izany "fahafatesana", Izay tsy ho fongotra na oviana Na ho tiana na tsy ho tiana. Mahery vaika mantsy ny heriny misintona Ny tenantsika, mandositra mirintona, Mba hanalavitra azy, kanefa zava-poana, Fa izy dia hamoky, ny kibony izay noana. Ny Rangolahy tsy handefitra Tsy ho hita ny fanefitra Fa hitelina ahy sy ianao hatrany Izay no tanjony eto an-tany. Ka ny marina sy soa no 'ndeha katsahintsika Izay hampandroso hatrany, ny fanahintsika. Aleo ny fo sy saina, no 'ndeha koloina tsara Mba ho rehareha fatratra amin'ny zanaka amam-para. Ka ho velona ao am-pony, tsy ho foana ny hatsarana, Na dia levona aza isika, efa vovoka, lasana.