url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/fitia-voahosim-potaka
FITIA VOAHOSIM-POTAKA
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
 Lazainy fa tsy tia  Rehefa izaho no maditra  Lazainy fa tsy tena tia  Rehefa izao no nanao sipa  Lazainy fa miatsaravelatsia  Rehefa izahay no mifamaly  Lazainy fa tsy tena tia  Lazainy fa nampahia  Lazainy fa tsy hiova intsony  Rehefa izao no tratra alina  Teny anavona sy lonilony  no mahazo a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-sika-teny-an-tsena-eh
‘LAY ‘SIKA TENY AN-TSENA EH!
RRAG
‘LAY ‘SIKA TENY AN-TSENA EH! ‘Lay ‘sika teny an-tsena, nividy kilalao, fa fety hono ny andro. ‘Lay ‘zaho nianjera, dia nareninao, toa toy ny isan’andro. Tsy miala an-tsaiko ireny, tsy maty am-poko mihitsy, satria tsinapako eny, ny lanjan’ny fitiavana, raha isaina toa tsy vitsy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raozim-pahavaratra
RAOZIM-PAHAVARATRA
Fredy Jaofera
RAOZIM-PAHAVARATRA Hanitra iray vao maraina ny raozim-pahavaratra mamoha ho azy ny saina fa zava-boalahatra ! Namana iray mahavariana ny raozim-pahavaratra, fa mitondra ahy fitoniana, na niharan'ny varatra. Nofim-pitiavana tsy hita ny raozim-pahavaratra raha indro mbola mampita ny soa tsy mitsahatra. Raoz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fo-miantsa/lasa
Lasa
Fo MiAntsa
Fa sary an-tsaina ihany No nahalalako izany, Raho-mitanila, Sy fiaina-malok’ila Hatramin’izay nipoiran’ Ny masoko akiroa. Fa hay vara-datsaka, mamotika ny foko Sy maha kilahotohoto Ny atin’ny fanahy ! Dia velona ny tsiahy… Lasa mantsy ianao ! Ilay niara-nilalao Sy niara-nody koa ! Ilay niara-nitatao Sy ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mba-miavaka-lahy
MBA MIAVAKA LAHY…!
RRAG
MBA MIAVAKA LAHY…! Mba miavaka lahy, ny hoe manan-dReny, rako-tambitamby, ny fiainana an-tany. Misy mpitia, eny, misy mpijery! Misy mamafa, raha sendra tomany. Mba mahasambatra lahy, ny anilan’ny Reny, toa tontolo mazàna, rako-kinta-mangirana. Manam-pahafahana, eny, afa-miteny, raha sendra ady mafy, na koa mana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-safoni-neny
NY SAFON’I NENY…!
RRAG
NY SAFON’I NENY…! ‘Njany, miritsoka mora, mipaika ao anaty, ny safon’i Neny. Tahirin’ny ora, ‘zay mbola tsy maty, raha ‘reny safo ireny. Tsy hay hadinoina, tsy hay vonoina, fa isan-tahiry. Tsy mety malazo, tsy mety maina, fa vao mainka mitsiry. Mitsiry ao am-po, manainga fanahy, hivetso ‘ty kalo. Tokana ihany, ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-maina-ny-faka
RAHA MAINA NY FAKA…!
RRAG
RAHA MAINA NY FAKA…! Indraindray ianao, ry sila-masoandro mpitaratra ahy, mandefa miampita, feo miritsoka mora, ny sila-panahy. Hafatra sa anatra, ireny teninao ry Neny? Fa voafingana aho dia, toa injany mahatsiaro, ny hevitr’ireny! Raha maina hoy ianao, ny faka mihazona ny voary hijoro, mihintsana mora, mandrako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mety-nofiko-angamba
METY NOFIKO ANGAMBA…!
RRAG
METY NOFIKO ANGAMBA…! Mety nofiko angamba, injay nofin’ny aliko, ilay fahazazana! Fa toa sento kely, no namelona ny aiko, ka nihibo-kafanana. Dia foana ny ràtra, ny sento tomany, nentin’ny omaly. Izaho teny an-tsandrin’i Neny tsy foiko, no injao nifalifaly! Mety nofiko angamba, fa tokana ihany, ny teny hifandrais...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-ranomason-dreny
NY RANOMASON-DRENY…
RRAG
NY RANOMASON-DRENY… Ny ranomason-dReny dia volamena latsaka! Ny ranomason-dReny tsy orambe milatsaka, fa fitroatram-po mifono fanantenana. Ny ranomason-dReny tsy mba hadalana, fa alahelo anaty, na koa fifaliana, matetika anefa dia, sarim-pijaliana. Ny ranomason-dReny tsy ho an’ny Ray maditra, fa ho an’ny sombin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-i-antsa-ry-neny-malala-fa-aza-mitomany
ANY I ANTSA RY NENY MALALA FA AZA MITOMANY…!
RRAG
ANY I ANTSA RY NENY MALALA FA AZA MITOMANY…! Raha nosembanan-drahona ny fiainantsika, dia tsy nofy avy ireny. Tena tantara marina niainantsika, eny re ry Neny! Tena lavon’ny lahatra, teo an-tsampanan-tsedra, ilay Antsakely, Ankona tampoka, nirotsa-tomany, tsy nisy nahateny. Fa maizina hoy ianao, ny androm-piainana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/neny
NENY.
RRAG
NENY. Ny foko ry Neny, mitroatra izany, mangina anefa, toa re mitomany. Ny foko ry Neny, malahelo ny omaly, ‘lay fahazazana, nahafalifaly. Ankehitriny, toy ny nofiko ireny, fa lasa ianao, ianao ry Neny. Lasa nandao, tsy nahandry ny ampitso, nandositra akany, mitafo fanitso. Ankehitriny ny ady, toa ahy irery, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iry-tara-masoandro-iry-eh
IRY TARA-MASOANDRO IRY EH…!
RRAG
IRY TARA-MASOANDRO IRY EH…! Iry tara-masoandro iry, no namako omaly, sy namako anio. Ny rivo-nitoetra, no zary nifofo, injay! Nitondra tadio. Fa iry tara-masoandro, miposaka iry, no nanazava ny lalako. Dia ‘lay volana zandriny, no zary lasa, tena isan’ny akamako. Iry tara-masoandro, tinazan’ny maso, milentika hari...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/arabaina-ry-neny
ARAHABAINA RY NENY…
RRAG
ARAHABAINA RY NENY… Ry Neny malala, arahaba no atolotro ho anao anio. Firariana ny ahy, ka ho halavirin-tadio, amin’izato andro fety, fety malaza. Etsy orohako kely, solon’arahaba! Arahabaina ry Neny, nitomboam-bolofotsy, ka mba hahatratra ny zafy, hitsongo azy ireny. Dia eny an-tratranao izy ireo, no hitositosy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hika-farani-neny
HIAKAM-PANDRESENA…
RRAG
HIAKAM-PANDRESENA… Nofy toy ny nofy, ratsy tsy noheverina, maizina ny lanitra, ny tenako nanenina, tamin’ny zava-bitako. Loza tena loza, voina tsy nampoizina, vokatra hadalana, zary lasa poizina, namoizana an’i Mama. Latsa miampy latsa, esoeson-tena, tody mitamberina, nitondra faharesena, satria lavo i Neny. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-feoni-neny
‘LAY FEON’I NENY…
RRAG
‘LAY FEON’I NENY… Injany miritsoka, manohana aina, mihazona fo, fo saika hisento. Injany mandositra, ilavitra ahy ny taraina, mahare an’i Neny, mahare izato vetso. Injany ny rivotra, misioka milanto, mamelombelom-bolo, ny fanantenana. Ny feon’i Neny, meva sady kanto, tsy hohadinoina, fa mitondra hafanana! Izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/injay-lay-anganony
INJAY ‘LAY ANGANONY…!
RRAG
INJAY ‘LAY ANGANONY…! Tsaroako ilay alina, alohan’ny hatory, i Neny misafo, mitantara ilay anganony. Ny maso amin’izay, efa resi-tory, fa ny fo te hiaritra, haka ny maminy. Tsy i Fara malemy, na i Koto be kibo. Tsy i Kotofetsy, na koa i Maka. Tsy mbola i Maintsoanala, ‘lay angano safidy. Fa i Ravoalavo, tena fe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fasani-dada-no-akanini-neny
NY FASAN’I DADA NO AKANIN’I NENY…
RRAG
NY FASAN’I DADA NO AKANIN’I NENY… Midoboka amponga, mandomando tava, ny lanitra ambony. Hika mihoga, toy ny ranomason-jaza, arahim-po tsy tony. No mameno ny ala, no manarona tontolo, arahin-javona matevina. Ny fasan’i Dada, no akanin’i Neny, any izy ireo, no milevina. Misioka fisaonana, ny voro-manidina, mandrakot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-manan-tsahala
TSY MANAN-TSAHALA…!
RRAG
TSY MANAN-TSAHALA…! Maro ny Reny, fa tokana ny ahy, ilay nanabe, nitaizan’ny tena. Nahaolom-banona, naha manam-panahy, ho zary andrarezin’ity firenena! I Rafandeferana, tokana am-po, mahafantatra hatrany, izay mety amiko. Nizara ny mamy, sy izay nahasoa, ianao ‘lay hany Reny, tokana an-taniko. Tsy laviko aloha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/neny-tiako-13644
NENY TIAKO…!
RRAG
NENY TIAKO…! Neny malala, tokana an-tany, ny saraka anao, dia mampitomany. Mafy amin’ny fo, izany irery! Ny anaranao, no vita tsianjery. Tsy laviko ry Neny, fa maditra aho, kanefa kosa, tiako ianao. Ka hialako izay, mety nandràtra! Hovaiko mihitsy, ‘reo toetra nahazatra. Neny tiako, tsy manan-tsahala, ny anil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iniako
INIAKO…!
RRAG
INIAKO…! Iniako ampanginina, hiredona mora, ny hiran’iny lasako, ny foko ry Neny. Iniako tononina, tsy iandrasako ora, ao anaty kasako, miendri-tsianjery, ‘reo tononkalo, fivetsonao mangina, hiantsoanao ny nofy, hanorina ny dina! Ka ireny kalo ireny, no kalon’ny tiana, miantsampy hitositosy, anatin’irony vina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/antsoni-neny
ANTSON’I NENY…
RRAG
ANTSON’I NENY… Ny antson’i Neny, isa-maraina, mitamberina an-tsaiko. ‘Reo vavany niteny, tsy mba nalaina, no sori-dalan’ny aiko. Ireny teniny mantsy, no fanilo niposaka, nanazava ny lalako. Ry Neny malala ô! Ianao no nanoritra, ny fiandohan’ny tantarako. Neny ô! Ny maraina mifoha, sy ny hariva aho hatory, toa rek...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/tsarovy
Tsarovy
Ny Avana Ramanantoanina
Tsarovy fa fihodinkodinana No didy mitondra ny tany, Fiakarana sady fidinana, Korontana ambony sy ambany ! Ny ketraka mora mivarina, Miroraka tonga kanosa; Ny potraka nefa tafarina, Ireny ka olona kosa ! Dia olo-mandala ny lazany No sady mitandro ny zony, Manandratra ilay Tanindrazany, Manondrotra an'io ho a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rgis-rajemisa-raolison/idada-sy-ineny
Idada sy Ineny
Régis Rajemisa-Raolison
Idada sy Ineny Ny tiako sy mamiko indrindra Eto an-tany dia Idada sy Ineny Fitiavana miara-mirindra No samy andalàko azy ireny. Ny lanjam-pitian'izy roa, Mitovy ka ataoko sahala, F'ireo sinibe manga roa Ka tsisy izay tombo sy hala. Noho Ineny no ary ny tena, Noho Idada no velon-tsy ory; Ineny nitondra am-bab...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-kilalaoko
NY KILALAOKO…
RRAG
NY KILALAOKO… Neny ô! Aiza i Kakibe, ‘lay tompon’ny noely, fa mba manantena, kilalao avy aminy, ireto ankizikely? Milaha-mitanjozotra, miandry kilalao, avy amin’ingahibe. Eo izy mba hafaro, hitondra vatomamy, sy kilalao marobe! Tsaroako eny foana, ‘lay tamin’ny taona lasa, ilay nahazo fiara. Fiara vita hazo, milo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/vetso-mistery
VETSOY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
vetsoy Henoy, reneso, Ny ritsoky ny fo mivetso ny fitia mikalo ny ambom-po manembona iray dia Kapòhy, bedeso, ny fo zatra alahelo aza avela hitrebona ireo tsiambaratelo 'ndrao hidoboka firedona takòny, tampeno, ny maso tsy hijery, ny zava-poana ny fitia sao ny kalo mistery no hiako an-tsofinao malia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahavaratra
FAHAVARATRA
Fredy Jaofera
FAHAVARATRA Rehefa be ny alahelo dia toy ny fahavaratra ny andro tiana rehetra, tsy ilana akory ny elo fa mbola oram-baratra ao am-po tsisy fetra !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/vavaka-ho-anilay-tiako
VAVAKA HO AN'ILAY TIAKO
NY HERIMAR
VAVAKA HO AN'ILAY TIAKO. Ampionao ry Ray Iny olon-tiako iny mba tsy ho azon'ota. Aza avela hilaka hanao izay tiany fa zaza mbola votsa. Raha sendra ady mafy, Tohano tsy ho irery fa mila ny herinao. Arovy tsy ho voagafy, Tadiavo sao ho very fa ondrin-janakao. Ry Ray ao ambony, Iny olon-tiako iny Tazatazan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voro-nanidina
VORO-NANIDINA
Fredy Jaofera
VORO-NANIDINA Voro-nanidina tsy hay takarina no mody midina kely eto marina. Voro-nanidina sarotra averina fa manodidina, manerinerina. Voro-nanidina nohamaivanina toy ny angidina mahavalalanina. Voro-nanidina tsy nahazo fitia fa nitsingidina vao nanova dia.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/sedra-pitiavako
SEDRA-PITIAVAKO
NY HERIMAR
SEDRA-PITIAVAKO Niantomboka ny fotoam-pianarana. Sedra no anarako. Zanaka fahatelon'ireo ray aman-dreniko aho. Anisan'ny tovolahy tia fianarana aho ary ny fahatanorako dia nirona tamin'izany avokoa. Roapolo taona manana ambiny iray aho ary tsy maintsy nandao ireo masoandro nipoirana satria hanohy fianarana any amin'ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malaza-tsy-ihinanana
MALAZA TSY IHINANANA
Fredy Jaofera
MALAZA TSY IHINANANA Malaza tsy ihinanana toy ny vilian-tsahona ny fananako anao raha ny fihavanana nihodina ho vahona sy nipoiran-draorao. Malaza tsy ihinanana ka dia henatra ho ahy nandritra ny fiainana fa fahasahiranana, hoy re ny fanahy, be fanaintainana. Malaza tsy ihinanana ka dia nentiko irery 're...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/clarisse-ratsifandrihamanana/mbola-hisy
Mbola hisy
Clarisse Ratsifandrihamanana
Mbola hisy takariva ho hazavain'ny volantsinana Hibanjinanao tsy satry iny habakabaka iny Ho tsinjonao mibaribary "volan'iny tsy hanombinana," Toa ilay niarahana nijery tamin'ny andron'ny fahiny Mety koa anefa hisy rahona hisavorovoro Ka ho takona amin'izany ilay hazavany soa madio Ho toa izay ilay hasambarako iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/clarisse-ratsifandrihamanana/fantatro
Fantatro
Clarisse Ratsifandrihamanana
[Dikan-teny malagasy an'ilay tononkalo "If" nosoratan'i Rudyard Kipling]. Raha folaka tanteraka ny lelan'ny angady Fa tohatra ny vato Fantatro ianao fa vonona hiady Tsy manaiky hiato Hiezaka hisedra ny zava-manindao Hanomboka hanefy angady vaovao. Raha safotry ny rano ny vary hojinjaina Nijojo izany orana Fant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aloka-tarabolana/jamala
JAMALA
Ny Aloka Tarabolana
... JAMALA ... Sakaizan'ny molon'ny mboto Nahamenan'ny mason'i Ikoto Ny vovony no nohorofony Mbola nampiany fonosany Tontolo hafa hono no hiainany e! Tontolo any ivelan'ny tany Nietry ny fotom-pisainany Nangina ilay saika tomany Dia izaho indray no endrikendrehiny e! Lazainy mifoka jamala Nefa ny tsy mba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/very-taminao-ny-ranomasok
Very taminao
Vetso mena
Very taminao ny ranomasoko ry tiako Very taminao ilay fanantenana niriako Very taminao ilay foko fa tena nitia Very taminao ilay antsoina hoe fitia Very taminao toy ny rano mikoriana Very taminao ilay fitia vao niriana Tsy ho vitako intsony ny handao anao Satria ny amiko manontolo efa lasanao Fa tena tiako iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tena-sakaiza
NY TENA SAKAIZA
Fredy Jaofera
NY TENA SAKAIZA Amin'ny fahoriana, haren-tsarobidy ny tena sakaiza fa ilay azo itokiana rehefa mangidy ny ora mitaiza !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aloka-tarabolana/azo...-azonao
AZO... Azonao
Ny Aloka Tarabolana
AZO... Azonao tiavina aho raha izay no sitrakao Azo atao malala dia azo atao ianao Azonao hirana aho dia azo koa antsaina Afaka tiavina dia azo koa roraina Aza dia dokafana ny zavatra izay vitaiko Aza hangalarina izay rehetra hitako Aza dia bedesina aho amin'ny hadisoko Aleo hitepo miadana ny doboky ny foko A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/lehibe-izao
LEHIBE IZAO!
AbouNusrayni
LEHIBE IZAO! Mahatsiaro ilay tisanjery fahiny manao hoe: Lehibe aho izao! Tsy toy ny tamin'ny taona lasa tsy nanao afa-tsy lalao Fa efa mianatra sy miasa Lehibe aho izao. dia niainga ny fanahy ka namela ity-di-penina ity manao hoe: R'hefa ianao ilay makamaka aina, Ka miato aloha ireo ketrika mafana. Indro fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aloka-tarabolana/hampianaro-aho-tompo-
HAMPIANARO AHO Tompo ô!
Ny Aloka Tarabolana
HAMPIANARO AHO Tompo ô! Hampianaro aho hangina Tsy hilazalaza mihitsy ny marina izay fatatro Mantsy raha ny fitoviana! Lasa heloka sy ota ho tonga hanenika ny vatako raha hiteny aho fa tsy hangina Tompo ô! Hampianaro aho tsy hanameloka Ny zava-dratsy izay kononony Nefa kosa anie ry Tompo miarihary tsisy fonon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ankoay-matotra/fitia-antsary-monja
Fitia antsary monja
Ankoay Matotra
Sarotra madama ny hilaza ilay fitia a... Tsy tiako manko ny hoe: ahoana koa ity bandy ity? Dia aleoko ny ahy fihinina iniako tsy ho lazaina Ny sarinao no sisa matetika savaina... Hiteny koa anefa matahotra ny ho lavina. Indrindra mety hahazo hoe: bandy mahatsiravina. Mangina re no mety e...sao ho diso fanantena ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/soratra-mitoetra
Soratra mitoetra
Vetso mena
_ Soratra mitoetra sisa no tavela Fa raha izaho efa niandry efa ela Dia handao, tsy hiverina intsony Fa efa niezaka fa tsy azoko ny fony _ Soratra mitoetra sisa no mba tsiaro Hoe tamin'izany aho niteny hoe fantaro Izao aho handao, ka hamela dian-tsoratra Mba ahatsiarovanao ireo diam-pitiavana _ Soratra mitoetra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/alahelo-iaraha-manana
Alahelo iaraha-manana
Vetso mena
Ny alahelo iaraha-manana Fahoriana iaraha-mizaka Mafy ny fisarahana an-tany Tsy zaka irery sy mampitomany Varavarana ihany ny anareo Fa fahoriana antsika rehetra ireo Fahalasana tsy zaka zakaina Izany hoe fandaozana mangaina Sentosento sy tomany sisa re No azo natao raha vao nandre Ny fahalasan'ny havana mala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/zanako
ZANAKO...
AbouNusrayni
Hainao gn'anako! Tsara zara sy voatahy ianao nitombo voavala; Na dia nisy ny tsy lafatr' izahay dia teo foana. Antony nijoroanay ny ho avinao anie malala; N'fitsinjovanay anao mandrava ola- manoloana. Eka sombin'aiko, Raha ampitahaina amin' anay ny fiainanao ka efa mety; Na dia tsy milomano anaty harena toy ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ilay-fahiratana-manimba
ILAY FAHIRATANA… MANIMBA!
AbouNusrayni
ILAY FAHIRATANA… MANIMBA! (tohin’ireo hevitra manodidina ny tsy fahafahana manorina tokantrano) Efa hatrany amin'ny Adama no niantomboka ny fitaka; Hoe dikao ilay lalàna raha ianao mba te hahiratra; Izay ilay fitadiavana lazaina fa maniraka; Tena fositra manimba ny fitiavana manitatra. Ny mpamorona fitaovana dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/fa-fitiavako-hianao
Fa fitiavako hianao
Dox
Fa fitiavako hianao, fifaliako, fahasambarako Vahatr'aina, tanjo-tokana, eny tokana hifaharako Nametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy ny fisainako Taminao no niantomboka, ka hiafara ny fiainako. Fa fitiavako hianao, eritreritro, fanahiko Tsy hisaraka amiko eny, n'aiza n'aiza tany hitsahiko Tompon'ny safidim-pok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/lalam-piainana
LALAM-PIAINANA
NY HERIMAR
LALAM-PIAINANA Hariva an-tanin'olona mametsovetso Lavitr'olon-tiana ka be sentosento. Ilay malala tiana fiangotingotiana nilaozana irery noho ny faniriana Fa IKAKY sy NENY 'lay namaham-bary izay nikely soroka noho ny ariary hahatafita ity zanany mamy sy tiany tsy maintsy nilaozana, miandry ny hodiany Fa any i ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ilay-fasana-ho-lapako
ILAY FASANA HO LAPAKO
Fidy Art Niaina
Toerana iray hitoeran'alahelo Izay rehetra mandalo eo misento daholo Io ilay toeram-ponenan'avelo Fitoeran'ny matoatoa sy ny lolo Milahatra mitomandavana Lapa fonenan'ny fanahy mireny Tsy maintsy aleha; tsy misy fandavana Vata-mitsotra tsy afa-miteny Izato rindrina vato matevina Eo amboniny misy tanambokovoko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/ny-fahazazako
ny fahazazako
cedric tolojanahary
Ny fahazazako Mampitamberina ireo tsiahy, Sy ireo lasa fahiny. Tsaroako ankehitriny. Nitomboan'ny fahalalako. Ireo ankanin'ny fahazazako. Ireo rehetra nandalovako. Tsy voatanisako ankehitriny. Tsy ho hadino velively,ireo fahakelinay fahiny. Ny kilalaonay tamin'izany. Marobe tsy voatanisa. Ny rahosijamba. Ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-erika/rediredy...-eto-aho-za
Rediredy...! Eto aho 'za
Ni Erika
Rediredy...! Eto aho 'zao mandrevy ka... Maniraka ambiroa...! Hamongatra 'reo tsiahy Sy ny "nisintsika" roa!! Eto aho 'zao mamovo Fitia hery miafina.... Di'manezaka mitovo 'Reo mba kely mitsikafona Na di'mamon-dranomason' Ny hetraketraky ny sasany... Di'tsy kivy aho ny hanaraton' Ny fonao na di'efa lasany.....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/mbola-ho-avy-ny-maraina
MBOLA HO AVY NY MARAINA
NY HERIMAR
MBOLA HO AVY NY MARAINA Mbola ho avy ny maraina Hampitsiky ilay endrikao; Aza kivy sy velon-taraina amin'ny dona mahazo anao. Mbola ho avy ny maraina Higogohanao fahasambarana; Ny fifamonjena amin'ny aina Izany no ho lohalaharana. Mbola ho avy ny maraina Hanajariana ny eny ambanivolo; Fa ny tany izay karakai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-tena-namana
NY TENA NAMANA
NY HERIMAR
NY TENA NAMANA Fa ny tena namana lehiretsy: mamonjy foana amin'ny sarotra, lavitr'azy raha ny hevi-petsy mahay miaina tsy be adivarotra Fa ny tena namana ho aho: tsy miandry dera avy aminao, Tsy mangataka anao hitalaho Vao hahalala ny tokony hatao Fa ny tena namana ry zareo: tsy mijery tava na harena, Manamp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/iny-malalako-iny
INY MALALAKO INY
NY HERIMAR
INY MALALAKO INY Tsy toy ny malalan'ny olon-drehetra, Tsy toy ny an'ny hafa izay dongadonga; Fa ny fitiavako azy tsy asiako fetra, Tsy mba mety maty fa toa mirongaronga. Fa iny malalako iny na ratsy na tsara, Tsy hosoloiko velively na hitadiavako hafa; Iriko izy fatratra ho ahy mba ho anjara, Ato am-poko mandra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ekeko-
Ekeko !
Vetso mena
Ekeko ! Ekeko fa anananao ny hatsarana Ekeko fa anananao ny fitiavana Ekeko fa misy hafa any ankoatr'ahy Ekeko fa ianao kay tsy ho ahy Ekeko fa anananao ny fo miantra Ekeko fa efa nantsoiko hoe malala Ekeko fa tapitra hatreo lay fiteny Ekeko fa ianao koa efa niova fijery Ekeko fa handao ny eritreritro ianao E...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-soratro
ny soratro
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ny soratra fivetsoko Kalo fa tsy hira Hamoahako ny sentoko Tsy havelako hangiana Ilazako alahelo Ivelarako amin'ny misy Sy hitomboko heritsaina Eny anabakabaka eny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/veloma-ralala
VELOMA RALALA
Fidy Art Niaina
Veloma, Ralala, raha tsy ho tamana Aza miherika mitodika akory Tsy omeko tsiny raha hiova fitàna Ndehana re! Ny lalanao zory Tongotra ila manjary mandringa Fa nilaozanao aho ka dia indrisy... Tapaka tehina; very ny ampinga Nangaina satria nanantena tsy nisy Lapa ho fonenako fasa-mangina Fahafatesana nantsoina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/raha-ianao
RAHA IANAO
RAFENOMANANTSOA SANTATRA
Raha ianao Ravalo no lasa filoha dia izaho hanao dahalo dia avy eo hiova fo Fa ilay hery vaovao ato efa miala aina dia ianao indray zao no mba azo antenaina Sa ve ilay mpitandrina milaza ho voairaka? raha iny aloha dia lavina tsy aleoko ve i Ratsiraka Raha iny no lasa filoha dia izao no fantaro ho ringana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-tsiny-fa
Aza Tsiny fa...
NY HERIMAR
Aza Tsiny fa... Aza tsiny fa tsy satriko ny hitia, Aza tsiny fa tsy nahiko akory izao; Aza tsiny fa ity foko mangia Te hitory izay tsapany aminao Aza tsiny fa tsy hoe mivikavika, Aza tsiny fa mafy ny manjo; Aza tsiny fa 'reo soratro nadika Tiko raha tanteraka tokoa. Aza tsiny fa tao anaty tory No nanorohako a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/tsara-loatra
tsara loatra
cedric tolojanahary
Tsara loatra. Izay tazako rehetra,toa tsara avokoa. Ny volana aman-kitana. Ny habakaba-manga Ny rano mikoriana. Ny vorona misioka. Ary koa indrindra indrindra,ny masoandro mibaliaka. Fa eny,tsara loatra Ny ala maintso mavana. Ny tendrombohitra,mitandavana. Ny ranomasina midadasika, HArain'ireo toram-pasika. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ao-anaty-baiboly
AO ANATY BAIBOLY
Fredy Jaofera
AO ANATY BAIBOLY Ao anaty baiboly dia misy ala olana mandresy devoly, na tsy mivolana. Ao anaty baiboly raha toa ananana, mahay mamboly ny tena fiadanana. Ao anaty baiboly, mivoy hafaliana tsy mamolivoly vao mba vakina. Ao anaty baiboly misy toky mihitsy ka aoka tsy hiholy na mba hitsitsy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/aleoko-maty
ALEOKO MATY
Fidy Art Niaina
Mafy loatra tena mila tsy ho tanty Ny fahareseko no hita miranty Izay mahita rehetra toa manakora Ka aleoko hafainganina ho tapitra ny ora Hitsara ahy ianao hoe tsisy herin-tsaina Tsy vitako ny manohitra ireo olan-tsedraina Ry olom-belona tsisy fitserana tsy eo aminao tokoa, mantsy, ny toerana Tsy vato latsaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/aiza-ny-sekolim-pitiavana
AIZA NY SEKOLIM-PITIAVANA?
AbouNusrayni
AIZA NY SEKOLIM-PITIAVANA? Efa ela izay aho no velom-panontaniana, Raha mahita ireo tranga eny amin'ny manodidina. Mamely mafy ny ankaso, ny alahelo, ny hakiviana; Tena mitombo aok'izany ireo lavo, mitsingidina. Manan-desona tokoa rh'ireo finoana rehetra; Ny amin'izay tondrozotra mba tokony ho arahina. Nefa ireo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/mandalo
mandalo
cedric tolojanahary
Mandalo... Mpiavahiny ihany. Ianao no eto an-tany. K'aza mitopy teny fatratra. Na koa mirehareha,fa manana ny ampy. Tadidio,saino tsara. Fa na iza ianao na iza. Raha mbola eto an-tany. Dia tsy maintsy ho lasa ihany. fa mandalo sy miserana. Ny filany nofo. NA ireo harem-be,noheverinao tsy ho lany. Fa ny lova...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anonyme/fony-ianao-tsy-mbola-hita
Fony ianao tsy mbola hita
ANONYME
Fony ianao tsy mbola hitako na somary nanjavozavo dia nisy drafira efa vitako mba niriko hisandratra avo. Tonga ianao hoe hiara-hanangana fa ho atao lapa iombonatsika. Ny birikiko lany tarangana ny anao kay zara fa nipika. Eny, tsy mbola nonenana dia narodanao tsy hisy hijoro. Ianao raha teo tsara fiafenana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arovana/vadiko
VADIKO
arovana
malala tena tiako mampito ny faniriako tiako ka nosafidiako sanatria ny hoe ariako ianao akia tiako ny ankoatra anao tsy ahoako fa ianao tena mamiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/mitandrema
mitandrema
cedric tolojanahary
Tandremo lahy,ny manompo. Ny andriamanin-kafa. Fa mamitaka izy ireny. Ny tena tsara indrindra. Ny manompo ny avo indrindra. Andriamanitra mahery. Dia 'lay tsitoha,Hatr'izay hatr'izay. Ilay hatao hoe haba Ray. Mitandrema,miambena. Tano mafy ny finoana. Ataovy am-ponao foana hatrany. Ilay tsitoha mpanajary. M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/hanina
HANINA
NY HERIMAR
HANINA... Raha vorona ny tenako na koa nanan'elatra Tsy hanjehy ny andro intsony fa izao anio ihany Hangorona ny laiko izay efa voavelatra Ka hanainga haingana androany dia androany. Efa alina maro tato ho ato izay no nifanesy Ireto masoko roa indrisy tsy nahita tory; Ny foko amin'izay tsy misahatra ny ho resy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ankoay-matotra/hamboly-fiadanana
Hamboly fiadanana
Ankoay Matotra
Tsy ilay nandalo teto ihany no hamafy fiadanana Fa isika roa hamboly ilay tena vitsy mpanana Ilay fiadanantsika akia tsy ankilazalaza Raha tsy ampy izay voavoly dia andao ampiana zaza. Hamboly isika akia fa tsy aiza no hanantena a. Hoporofointsika fa ny zanaka no harena Hivavaka isika aoka ny aina no hateza Fito...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/saro-patarina
SARO-PATARINA
NY HERIMAR
SARO-PATARINA Fa ny tendry anie ka tsy azo fantarina Ny tsara famindra mety mbola hivarina ; Koa andeha ary isika tsy ho be fanahiana Fa ny Avo ao ambony dia mahavariana. Tsy takatrao akory izay tiany hatao Handaharany miafina izao rehetra izao; Ny vintana antony tsy hay hamaivanina Mpanankorotana ny anjara tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aro-zo/ady-sahala
ADY SAHALA
Aro-Zo
ADY SAHALA Eny ry fo efa sasa-nifona Nanjehy ny lava, nihevitra ho tiana Aza tomany f'andeha mionona Ny sira efa an-drano tsy hay hampodiana Ahodino im-pito ny loha vao mania, Saino ny dona miverin'ny lasa Sao dia hanaloka anao sanatria Ny todin'ny fony izay voarasarasa Eny ry fo izay nandiso fitsapaka Te ham...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/malalany-fa-tiako
MALALANY FA TIAKO
NY HERIMAR
MALALANY FA TIAKO Tsy nahay nionona ity foko efa tia, Tsy nahay nionona fa te hamatravatra; Tsy nahay nionona fa te hiara-dia, Tsy nahay nionona sa te hitady ratra? Nanomboka teo ny masoko lasa nitsiriritra, Nanomboka niafina nangala-pijery; Nanomboka teo koa lasa nipitrapitra nahita ity lalana tery dia tery. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/saintsaino
SAINTSAINO
NY HERIMAR
SAINTSAINO Eh ianao ry ilay tiany sy ilay nijaliany, Tsarovy fa eo am-pelantananao ny fony; Tadidio fa natokany ho anao ny fifaliany, Ary hatreto ilay fitiavany mbola tsy mitony. Aza odian-tsy hita na odian-tsy fantatra ilay fony tia sy matoky anao fatratra fa tsy ho zaka velively, tsy ho leonao hatreto ny todi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/kamboty-reny
KAMBOTY RENY...
NY HERIMAR
KAMBOTY RENY Tsy afa-mitaraina Tsy manan-tsafidy; Manomboka ny maraina Migoka ny mangidy. Tsy sahy miteny Miahotra ny hamaly Lavitr'ilay reny Miaina anaty jaly. Ilay Neny fahiny Nialoha any an-koatra; Ny fahoriany ankehitriny Tsy rariny loatra. Na reraka ny vatana Ny sainy manery Satria ilay mpitantana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ny-marina-fito-andininy
NY MARINA FITO ANDININY
AbouNusrayni
NY MARINA FITO ANDININY Na samy mino fa tokana ny marina; Zava-tsarotra ny hampitovy fijery. Ianao mety mandry, izaho efa miarina; Ny malalaka aminao amiko mety ho tery. Na miaraka ambolena aza ny vary; Dia samy hafa ny fotoana hamoazany. Ao ny voaelingelin'ny tsiparifary; Ao ny voaava tsara ka tsy misy fahavoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ankoay-matotra/tsy-izy-lesy-akory-no-and
Tsy izy akory no Andriamanitra ivavahako
Ankoay Matotra
Tsy izy lesy akory no Andriamanitra ivavahako a. Fa izy kosa mendrika mba ho ilay fakan-tahako. Ilay fahatsoram-pony no mba raisiko ho filamatro Maninona raha izy moa no ho mba soa fianatro? Izao tontolo izao anie ny azy no iarehana e Fa indro izy mbola misedra fanenjehana... Ny an'ny hafa moa fankahalana no miba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-avela-hiserana
AZA AVELA HISERANA
NY HERIMAR
AZA AVELA HISERANA Tsy vao androany inoako fa fantatrao Tsy vao androany fa tany am-piandohana; Tsy vao androany fa hatrizay no tsapanao ilay fitia nitsiry ka tsy haiko norarana. Segondra iray monja nifampitopy taminao, Nampidobodoboka ity foko tato anaty; Te hamboraka sy hivoady teo imasonao ilay fitia feno ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/raha-hita-rano-ianao-ekeko
Raha hita rano ianao, ekeko.
Ikalamako
Tarangano tsotra zao izay maningotra any anaty, Dia kantsano avy hatrany ilay tady fato-maty. Aza fohazina amin’ny embona ireo mamy nianohana, Avelao ho ahy ireny ho ataoko fiononana. Andoroy fatibolo ny tamintsika mihelohelo, Roahy tsy misy indrafo, aza atao mampalahelo. Miboboha fanadinoina raha miselona tsy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ho-anao-ry-dada-malala
HO ANAO RY DADA MALALA
NY HERIMAR
HO ANAO RY DADA MALALA Manantena aho fa ianao salama tsara, Inoako torak'izany koa ireo zandry fara; Inona no vaovao sy maresaka ela be Fa ny tany moa lavitra ianareo tsy dia re! Tonga ny fotoana izay nandrasan'ny rehetra, Ilay andro malaza famoahana bônetra; Ilay andro malaza tsy nisy vetivety, Ilay andro mala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/mahereza
MAHEREZA
NY HERIMAR
"MAHEREZA" Raha sendra midona ny oram-panala, Aza tomany ho'aho izato rahalahy; Fa ny rivo-mahery mpamefika ny ala: Tsy maintsy hitsahatra f'aza manahy. Ny hain'andro an-dohataona hodimbiasan'ny kotroka fahavaratra. Ary ny dianao izay nisy nivaona Ho zary lesona sy ho fitaratra. Mba soa tokoa ho lavo hahay hia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/bareani-madagasikara
BAREAN'I MADAGASIKARA
NY HERIMAR
BAREAN'I MADAGASIKARA Ela izay ny ela ka tonga ihany Ilay fanirian-kelin-dRamalagasy; Ka dia nanakoako naneran-tany ilay zava-bitany tsy nihasihasy. Sambany tokoa izao teo amin'ny tantara, Mbola tsy nisy hatramin'izay nisiako ilay hoe izany kitran'i Madagasikara namelona fanahy, nanentana ny hafaliako. Ekipa k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/mba-raiso-tompo
MBA RAISO TOMPO
NY HERIMAR
MBA RAISO TOMPO Inty aho ry Tompo Hanatitra ho anao; Hiezaka hanompo Satria zanakao. Vola kely ariary folo no hany mba ananako; Atolotro manontolo, 'Zay eo am-pelantanako. Tsy hoe manatitra ny olona dia indro izaho mba handeha, Raha tsy misy, haiko ny mionona fa na manana tsy hirehareha. Mbola tsy tadidiko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/toa-adala-ireo-maherifo
TOA ADALA IREO MAHERIFO
NY HERIMAR
TOA ADALA IREO MAHERIFO Tena toa adala ianareo foloalindahy raha niady mafy ho an'ity tanindrazana satria ireo fahendrena, saina sy fanahy dia efa lefy ka tsy hita no sady tsy tazana. Ianareo maherifo nanao vy very ny aina mba hanandratra avo ity firenena sy hampijanona ireo toreo sy fo mitaraina ka nijoro fa l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tiako-raha-tsapanao
TIAKO RAHA TSAPANAO
NY HERIMAR
TIAKO RAHA TSAPANAO Raha mahatsiaro azy ianao ry tiany dia ahereno any amin'ny lasa ny fitadidiana; Tsarovy fa ny endrikao no nampivily ny diany Satria nantenainy hanome azy fifaliana. Aoka ho tsapanao akia ry malalany fa any ambadik'iny tsy tazana iny any: Misy olona iray niangaranao fitia; Misy olona iray mib...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsiaro
TSIARO
NY HERIMAR
TSIARO Sambatra iny masoandro fa mitety ny tontolo, Isan'andro mamangy firenena samihafa; Fa ny tenako kosa mahatsiaro ireo nikolo, Lavitra azy ireo ka tsy afa-mifampitafa. Izaho ilay mahatsiaro ny lasa fahiny, Mitanondrika irery, misento ato an'efitro; Na manembona ireo namana izaho ankehitriny, Fa i Dada sy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/nofiko-omaly-alina
NOFIKO OMALY ALINA
NY HERIMAR
NOFIKO OMALY ALINA Nanonofy aho omaly, Nanonofy tena tsara; Nofy tena nahafaly, Ilay izaho tany Gasikara. Nanonofy nanao vakansy tany an-tanindrazana; Tsy akory ka mpimasy fa milaza izay tazana. Dia faly ireo zoky, Dia ravo koa i zandry; Dia izaho toa natoky hany ka tafandry. Vory ny tanana fa namangy, ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tany
TANY
NY HERIMAR
TANY Ilay tranobe iombonana, Ilay tany havanay; Iraisan'iray ankohonana Eny, fianteheranay! Tany: Iriariavan'ny velona, Itsilanesany koa raha maty; Ary mpanompo ny olombelona no mpanome azy vatsy. Fitoeran'ireo manan'aina, Tany tsy mahay mitaraina; Tany ilay tsisy mpanana, Tany mpanovona fanana. Tany ilay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/hanoratra-foana
HANORATRA FOANA
NY HERIMAR
HANORATRA FOANA Hosoratako hatrany ireo bitsiky ny fo, Hosoratako hatrany ho lovan'ireo taranaka; Na tsy hisy mpamaky, ny asa soratra ho lo dia hanoratra foana aho raha mbola tsy valaka. Na maro ireo romotra amin'ny rediredin-tsaina, Hanoratra foana aho hitady izay tsara, Hanoratra foana ho an'ireo mitaraina, H...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/mpamaky-vato
MPAMAKY VATO
NY HERIMAR
Odray ireny mpamaky vato, Misedra ady tena sarotra; Indrisy anefa tsy afa-miato f'efa vita ny adivarotra. Miloatra mafy izany dininy, Mihovitrovitra izato hozany; Ny fonjam-by izay fihininy toa mandefy izato lazany. Sila-bato no fipetrahany ibanjinany ny ho aviny; "Avia ry Tompo", hoy ny fivavahany, Mba hano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-mitia
AZA MITIA
NY HERIMAR
⚠⚠ AZA MITIA ⚠⚠ Aza mitia na indray mandeha monja, Dia aza miditra raha toa ka mbola ivelany; Aza mitia fa tafiotra mafonja, Aza manandrana fa tena tsy havelany. Ny mitia anie tsy mora e, aoka koa hazava, Ny fitia tsy kilalao na koa hoe fialamboly Koa raha tianao ny ho miramiran-tava dia tandremo ny mitsabaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/fantatrao-ve
FANTATRAO VE?
NY HERIMAR
FANTATRAO VE... Fa izay rehetra nataonao: Manidina toy ny valala; Na soa ny fihetsikao, Tsy hotsaroan'ny tsy mahalala. Fa ny soa nomenao azy, Rivo-mihelina ihany; Raisiny ho vazivazy, Rano raraka an-tany. Nefa tsarovy ralandikely, Ralandy saro-tiavina; Hatrizao dia mbola miely fa ny tany saro-diavina. Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/malagasy-mora
MALAGASY MORA
NY HERIMAR
MALAGASY MORA Malagasy mora mivadika, Malagasy mora mifototra; Malagasy kely mora adika, Malagasy kely very fototra. Malagasy mora ambakaina, Malagasy tsy mba fetsifetsy; Malagasy tsy dia misaina, Mora voasarika vetivety. Malagasy mora miova teny, Malagasy mora manadino; Malagasy be renireny, Raha ny hiova ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/taky
TAKY
NY HERIMAR
TAKY Tsy ho fantany velively, Eny na efa niova aza ianao; Tsy ho foana fa mbola hiely ny fihetsika sy ny toetranao. Tsy hino mihitsy ny olona, Eny tsy hanaiky ny sainy; Ary tsy ho foana ny tolona Raha tsy afaka ny ainy. Ry mpitondra fanjakana, Itodiho ihany ny vahoaka; Mijoroa ho tan-dalàna Fa hangina izy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sambatra-ny-fiainana
SAMBATRA NY FIAINANA
Fredy Jaofera
SAMBATRA NY FIAINANA Sambatra ny fiainana atomboka amin'ny fitiavana sy itoeram-pisainana mikatsaka lava ny hihavana. Sambatra ny fiainana arahina ezaka marimarina fa tsy be fitarainana vao potraka na mivarina. Sambatra ny fiainana misy hafaliana mipoipoitra fa tsy ny fahalainana no avy sy ambarako tsotra. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ilay-hasarotam-piarony
ILAY HASAROTAM-PIARONY
NY HERIMAR
ILAY HASAROTAM-PIARONY Tsy mba nampahantrako fitia izy iny Fa tsy tana fotsiny noho ny hasarotam-piaro; Tsy tsapany, tsy tsaroany ilay tena fin' ilay fitia madio tsy nasiako fangaro. Tsy natoky ahy, hono, izy ka lasa nitsoaka, Lasa nandositra an'ity akanim-pitiavako; Indrisy ity foko toa tsy mety tafavoaka ka m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tsy-fay
TSY FAY
NY HERIMAR
TSY FAY Mamarina iny lalana iny fa mbola nandehanako foana; Tsy im-polo izaho no nampangirifiriny Saingy tsy fay na mikotoatoana. Mandratra iny vorona iny kanefa nohatoniko ihany; Ny fijeriny aza manambara fa tsy tiany Saingy nodiako tsy hita izany. Fa impiry izaho no may fa mbola nanatona afo; Toa tsy mety ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ilay-dinam-pitiavako
ILAY DINAM-PITIAVAKO
NY HERIMAR
❤ILAY DINAM-PITIAVAKO❤ Malala a, Tsapako fa maro ireo dona mahazo Kanefa izany tsy hataontsika sakana; Ny fitiavantsika tsy havelako halazo, Izaho no mpamily ka ho tody ny lakana. Na eo ireo mpankahala manaratsy lava, Hosasatra izy ireny ary eo no ho menatra; Fa ny dina ato am-poko tsy hisy haharava, Tsy ho re...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/era-amin-drafahafatesana
ERA AMIN-DRAFAHAFATESANA
NY HERIMAR
ERA AMIN-DRAFAHAFATESANA. Tsy hiresaka firy aho rampanapaka ny fiainana, Ary ny hatako eto koa tsy dia fitarainana; Ny zavatra iriko dia tokana mazava, Dia ny hampateza ny aina, ho ela vao ho rava. Raha sitrakao aleo havadika ny rasa, Aleo ianao miala fa rafiainana no hiasa; Aza mitsiditsidika amin'ny andro vao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/mpandoto-rano
MPANDOTO RANO
NY HERIMAR
MPANDOTO RANO... Olombelona tsy misaina, Olombelona tsy manjary; Tsy ho leonao ny taraina Sy ny todin-janahary. Mpamorona ny tsy misy, Mpilaza ny tsy hita; Enga anie ka ho sify, Enga anie tsy ho tafita. Ianao mpampiady olona, Ho sendra ny tsy mety; Ho aminao ny alo-borona Na tsy ho vetivety. Ianao il...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/tandrovy-ireo-loharano
TANDROVY IREO LOHARANO
NY HERIMAR
TANDROVY IREO LOHARANO. Hafatra ho anareo akaiky ray aman-dreny, Hafatra ho antsika mbola manana azy ireny; Hajao sy ankatoavy ireo anatra omeny, Aza befamaliana rehefa izy miteny. Rehefa ianao irery na koa mitokan-trano, Hotsapanao tokoa ny herin'izany loharano; Raha miakatra ny ony, ianao hanganohano, Fa nana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/nofy
NOFY
NY HERIMAR
NOFY Ny nofiko mihalohalo any lavitra any, Fa tsy hitan'ny mpandalo ilay foko mitomany. Ny nofiko mirenireny eny amin'ny volana, Tsy mampiteniteny fa miteraka olana. Ny nofiko mitanisa 'reny kintana alinkisa, Toa sahirankirana, Nefa miramira... Ny nofikomirediredy iny masoandro iny, arahin-tebiteby iny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/fitia-nandalo
FITIA NANDALO
NY HERIMAR
FITIA NANDALO. Ny fitiavako anao kisendrasendra, Fitia niserana ihany; Fitia natosiky ny rendrarendra, Ka tsy haharitra izany. Koa dieny mbola tsy miorim-paka, Aleo faranana amin'izay; Tsy tiako ianao ho voambaka amin-javatra tsy hay. Ka veloma ary ianao ry malala, Malalan'ny foko taloha; Ary izany tsy hahal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/hamola-po
HAMOLA-PO
NY HERIMAR
HAMOLA-PO Tia anao ny foko fa aleo ihany hilamina, Mba te hiala ny toloko ary mbola te hiarina. Niezaka aho nikiry saingy tsy nambinina, Tsy navelanao haniry raha toa ka fintinina. Tsy hoe ratsy vintana fa nangarihan'ny anjara, Ny ratrako ho sitrana Mbola ho ela ny tantara. Izaho hamola-po hamafa ireo las...