url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-asiana
AZA ASIANA
NY HERIMAR
AZA ASIANA Aza asiana sento na tomany ny ora iray handaozako ity tany; Aza asiana alahelo na ranomaso mba ho reharehan'ny mpanakaso. Aza asiana fahatsiarovana na segondra iray monja aza, satria ny tany fandalovana ka tsy tokony hahagaga... Eny aza asiana hadihady, Aza asiana famotopotorana; Aza asiana famaly sy ady ity vatako kontsan-dranonorana. Aza asiana kabary sy resa-dava ity fitiavako may sy kilanao; Aza asiana hiaka sy tabataba fa avelao fotsiny amin'izao. Aza asiana fanafody satria sitrakao ity foko maratran'ny antsim-pitia; Eny aza sakanana fa avelao ho izao ity fitiavako vao tanora mba hiriaria. Eny...aza asiana fotsiny na dia tsiaro Ireny fotoana nampisy korana; Aza tsiahivina sao hifangaro, Ny lelambaravarana sy ny tolana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-lasa
NY LASA
NY HERIMAR
NY LASA Fa maninona ho'aho 'zany havako 'zany no manganohano sy te hitomany? Sa mahatsiaro ny lasa dia ketraketraka Ka ankehitriny no toa vitsy resaka… Aza atodika ny lasa ny fitadidiana fa mitondra alahelo ary koa hakivina; Ny tantaran'ny omaly avelao any fa hiteraka loza sy hampitomany Raha jerenao ange ny fiainana an-tany Toa feno haizim-pito tsy lanilany Izay rehetra aleha mandiso fiheverana na ny olona akaiky aza tsisy fitserana Koa mahereza izany havako izany fa izany mihitsy no lalàn'ny tany Ka aza aseho ny lasa izany fisainana mba tsy hanalokaloka ny fanaintainana NY HERYMARO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/vavony-faharoa-hoy-rabea
VAVONY FAHAROA
NY HERIMAR
VAVONY FAHAROA Hoy Rabearivelo "ny foko fasana faharoa", Saingy io amiko dia vavony ihany koa; Io ilay vavony mahagagagaga ihany, Mpandevona ny tsara sy ny ratsy eto an-tany. Laharana faharoa amin'ilay tena vavony, Tsy mamela fa mamoaka ny takona navony; Izy no andry iankinan'ny fiainan-janak'olona, Manan-kery lehibe hampahomby ny tolona. Izy ity anefa hafa fomba fanao Mandevona mora ny tsara izay natao; Ny ratsy niantefany tsy hohadinony tokoa, Mivangongona ho avelo ka zary lolompo. Ny fo no tanimboly itsirian'ny fitiavana ifampizarana amin'ny namana sy havana; Izy ihany koa no fontotry ny fankahalana, Olona maro nampitondrainy faisana, Ny alahelo sy tomany inoako fa niraisana; Tsy nandao ny fiainana hatramin'ny fahazazana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/fanambinny-fo-vonona
FANAMBIN'NY FO VONONA
NY HERIMAR
FANAMBIN'NY FO VONONA Hitady ny very Sao ho hita ihany; Saingy tsy voatery Ho tanteraka izany. Ny ahy faniriana, Ny Avo no mpanapaka ; Ny ra mikoriana, Mbola mety ho tapaka. Hotadiaviko ihany Sao mba hohita; Ny sento sy tomany, Mbola ho vita. Tsy misy izay tsy mafy Fa lemen'ny zoto; Dia mahaiza mihafy F'aza mirotoroto. Hotadiaviko hatrany, iny hasambarana iny ; Hovaiko androany, ny tantaran'ny fahiny. 00:51'
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/iny-zanadolo-iny
INY ZANADOLO INY
NY HERIMAR
INY ZANADOLO INY... Notiaviko mangina hatrizay, Nafeniko azy tsy ho fantany ilay fo mitempo te ho iray Indrisy mantsy fa tsy tsapany. Noezahiko nafindra ilay fitia mba hiantefa amin-dolo hafa Saingy ity foko nanao tsia, Nitahiry izany tsy ho voafafa. Fa iny zana-dolo iny, Maro hala mpizaha Manahy aho ankehitriny sao izy ho resy balam-bava. Fa iny zanadolo iny efa mety tsy ho ahy intsony; Mety efa sendra izay tiany ka aleo ity foko hitony. Ny vavako tsy sahy nanaboraka azy tao am-po; Mivezivezy ny fanahy amin'ity fitia tsy mety lo. Lasa saro-piarotsy fidiny mahita azy mitsiky amin'ny hafa, Ka miaritra mafy ny ngidiny amin'ity fitia tsy voafafa. Lasa mitoloko ato anaty, Mitomany irery ao am-po, Maniry mafy ny ho faty, kanefa atao ahoana moa. Sendra fitia tsy anjara Sendra fitia nitsivalana; Asa re raha ao afara na mba ho iray lalana. Eny akia ry zanadolo, Tsy ho iray lalana isika Ka ametraho na tapa-bolo Ho tsangambato aro ditra. Nitia anao mangina aho, Nitilitily anao talavitra; Ankehitrio mirahoraho, Marary mila alafaditra. Na tsy ho fantatrao aza dia tiako foana ianao iny, Fa izaho tsy nilaza, Mataho-tsao azon-tsiny. Ity foko akia mirenireny, Tsy haiko intsony ny hatao Ka hosoratako an-teny ilay hoe: "TIAKO IANAO..." #Nargis_Fès_Maroc
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/miala-tsiny
MIALA TSINY
NY HERIMAR
MIALA TSINY Mino aho fa tsy hadisoako eto an-tany raha mandray ity hevitra tapako ity androany Te satria hanaporofo eto imasonao fa nanindrona ny foko ny fanahinao. Mino aho fa raha ny hafanam-pitia tato anaty tsy akory nanantena ny hamaly faty F'ilay FO tia niandrandra anao fatratra indrisy nohosenao na dia nisasatra. Faniriako taminao ry malala omaly ny hoe homendrika izany hisarom-boaly ka dia niezaka ity vatako fadiranovana mba hitandrina anao amin'ny fahadiovana. Nanontany hoe mbola ao ve ry sila-panahy sa efa noribain-drony zalahy? Satria te mba hisava ny faritra ambany saingy mihitsy tsy navelanao hakany. F'ianao mailo foana ny nibaradaka hoe ise ngah malala tsy mba mivavaka Fa hoe fahotana tsy roa aman-tany ny mikiti-javatra tsy anao izany? Ka niaretako izany satria ny tao am-po dia ny hiara-hianoka ny tombon-tso, Na dia efa dondona aza dia niandry kely fa hoe hisy azy amin'zany volan-tantely. Nandeha ny ora, tonga ihany ilay fotoana izay nandrasana ela hoan'ilay faritra noana; Saingy rotaka sahady no nameno ny tanàna Izaho mba niandry, leo tsy tamàna. Fikasako taminao ny hakana taranaka Saingy tsisy fika fa anio ihany misaraka Dia ilay voady nataoko tambony alitara: tsy mendrika ho anao ambarako tsara. Ianao hoe efa voajanga tsy olana firy F'ilay foko voafahan-dalitra no namirifiry Ka mialà ny tokantranoko izao dia izao, Mahità izay olona mitovy hasina aminao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/hafatro
HAFATRO
NY HERIMAR
HAFATRO Haiko ny lalanao fa hizotra hankany aminy, Hifanena na tsy ho faingana amin'ilay olon-tiako Koa aza ampahafantarina ho henon'ny akaniny Izao ady trehiko sy izao fijaliako. Raha sendra izy manontany momba ahy, Teny tsotra fotsiny no avalio azy any; Ilay nilaozanao, hono, salama tsy manahy, Miezaka misedra 'reo somparan'ny tany. Aza lazaina azy ihany koa ny fonenako Raha tonga amin'izany indray koa ny resaka; F' izaho latsa-pitia, hono, tsy nanenenako Eny, miandry fandresena na anio aza ketraka. Teneno koa izy hoe ilay diarinay, Efa nohalaviriko tsy nampiasako saina; Omaly hariva izany no nodorako ka may, Tsy tiako hotehirizina fa manimba aina. Izao ranomasoko, aza aseho azy akory, Dia torak' izany koa ny ondako kontsa; Aza ambara azy hoe izaho tsy azon-tory Satria tsy tiako ho henony izao foko feno ontsa. Koa izay no hafatrafatro ka dia tongava soa any amin'ny tany izay hihaonanareo, Mahaiza hoe mamindra fa tsy mora izany voa, Tsy ho zakany mantsy izato toreo. 11:07"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/poeta
POETA
NY HERIMAR
POETA Ny ankamaroan'ny poeta tsy mba mety matavy Ny anton'izany dia tokana ihany; Satria mifoha alina fa tsy mamosavy, Mikaroka ny miafina any ambadika any. Mpaminanin'ny tany tsy ira-janahary, Mpanambara ny re sy hita miharihary; Mpisolovavan'ireo madinika ianjadiam-pahoriana, Mpitondra fanantenana sy mpizara hafaliana. Mpanonofinofy sy mpibanjina habakabaka, Mandinika ireo tranga, misaina tena miavaka; Mpitety ny havoandasa misavasava izay ho avy, Ny tanany miketrika sanatria ny hiraviravy. Dia izay ilay poeta, ilay enjenioran'ny teny, Ny rima sy ny ngadona sombiny amin'ny famboleny; Milalao kisarisary hoentina hampitana hafatra, Mandany rondoha mba hanomezana izay lafatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/mba-ho-soa-izay-zaraina
MBA HO SOA* IZAY ZARAINA
AbouNusrayni
Ianao tsy mba bikaina; Na mahia na botaina; Aza atao maha monaina; Fa ny endrikao miraina. Na malama na ngitaina; Tsy izany akory no ampangaina. Ny asa vita no tsaraina; K’izay kanto no manjaina. Ireo mpanala be ditraina; Ts’ilaina akory kotabaina. Ny hiafarany ho mangaina; Satria tsy miasa ka ho maina. Ampiasao ny anao ny saina. Mitsangana, aza malaina. Tsy izay rehetra be lazaina; No hampiferotana ny aina. Ny maha izy anao deraina. Ny moraly aza simbaina. Ny hampivoak’izay kiraina; No ataovo fototra iaingaina. Mbola misy ny antenaina. Izay no aoka ho dradraina. Aza mety ambakaina. Izay mba hainao indraina. Ny asa-tananao hajaina; F’izay tsara n’ho jifaina. Ny fanahinao ingaina; Mba ho Soa* izay zaraina. Zoky Abou_Nusrayni #Soa_Mare #Akanjo_Soasoa 05_09_19
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/raha-poeta-ny-mpitondra
RAHA POETA NY MPITONDRA
NY HERIMAR
RAHA POETA NY MPITONDRA... Raha poeta ny mpitondra, nandroso i Gasikara, Fa afaka ho fitaratra ho an'ireo zandry fara; Raha poeta no nitondra, efa ela no tafita, Efa ela i Gasikara no nandify ny any am-pita. Raha poeta no nitondra, niova mamy ny mangidy, Avadiny ho asa ireo nofiny ho tena izy; Ny poeta mantsy misaina sy mandinika, Tsy manambony tena fa miray amin'ny madinika. Raha poeta no nitondra, efa tafa ankehitriny, F'izy ireny mantsy no matahotra ny tsiny; Raha poeta no mitondra, mivoatra isika Satria izy ireny no tena be fikafika. Raha poeta no hitondra, hiova loko Gasikara, Ilay mara matromatroka ho lasa hazava tsara; Raha poeta no hitondra, hitombo ny fanahy Ka ho foana ny tebiteby, indrindra ny ahiahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/volana-aogositra-septambra-2018
VOLANA AOGOSITRA-SEPTAMBRA 2018
NY HERIMAR
VOLANA AOGOSITRA-SEPTAMBRA 2018... Volan-tsomambisamby ho an'ny atifanahiko ireto volana anakiroa izay nifanesisesy; Vola-nampihevaheva ny nofy tsy nahiko, Vola-niavaka, toa tsy nety tapi-betivety. Toy ny akoho notsipiazam-potsimbary tokoa ny tenako ka faly sahirana fa tsy hita izay hatao; Noraisiko ny hevitra hitako tsy hanenenako, Hanao veloma ny vala fa vonona handao. Tsapako teto ny tsiron'ny fahantrana sy ny jalin'ireo mpiasa izay mitady vola, Saingy nozakaiko satria efa tsy tamana amin'ity fomba fisainana miha goragora. Isaorako ireo nanampy sy nikely soroka hahatongavako amin'ny tanjona sy vina izay iriko; Izay hataonareo anie ka harodroroka, Hotian'ireo mpankahala sy be tsikotsiko. Ho anareo rehetra tsy mahay ny tantara, Aoka tsy ho liana fa lalina izany; Hofeno ny pejy raha adika sy ambara ka aleo ary ajanona ho tsiambarateloko ihany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/pakanay-mafiady
PAKANAY MAFIADY
NY HERIMAR
NY PAKANAY MAFIADY Paka ny andro, totorebika ny ao an-tanàna Fa velona indray ilay mpanao fahagagana; Ny aleloia manako erÿ eran'ny vazantany, Dia lasa ny eritreritro, nanidina any ho any. Ireto olona maro mitafy akanjo tena tsara, Somary maika famindra fandrao mantsy ho tara; Andro miavaka tokoa ,hono, izany paka izany Fa nanavotana ny olona mponin'ny tany. Dia maro ny mifaly, mirevy anaty bara Ka mamo izay tsy izy ireo dimby sy fara; Tsy vitsy ireo miady, baikoin'ny alikola, Tsy mahitsy dia intsony fa dia midoladola. Izany ka tena paka, pakan'ny mpanana F'izahay mahantra, nilaozan'ireo namana; Izahay mantsy tsy manan-ko entina mirevy Fa efa lany omaly ilay karamanà tevy. Idada any an'ala mandoatra saribao Mamonjy ilay lahasa sy asa fanao; Anio hariva izy hivarotra izany eny an-tsena, Ka ny vola kely azo mba hividianana hena Ilay zandry menavava tsy mahalala ny tsy misy Ka dia atao izay hampifaly an'ity zana-disy. I Neny indray tsy kivy fa tena mbola mitraka Nifoha maneno sahona handeha hanondra-traka; Izy tsy manan-kantenaina horaisina isam-bolana Ka tsy maintsy mitrongy fa izany no vahaolana. Ireo zokiko kosa vao maraina dia tsy hita Nandeha nilanja angady nanohy ny asa tsy vita; Tsy afaka mijanona na reraka aza ny aina Satria ny asan'olona tsy maintsy vitaina. Izaho indray mijanona mikarakara ato an-trano Mitanika mangahazo sy mampangotraka rano; Dia mivavaka mangina ho an'ireo ankohonanay Mba hombam-piadanana avy amin'Izy Ray. Dia izay ilay pakanay, paka miavaka kely, Paka voalaro vahona fa tsy mba tantely; Izahay tsy miala sasatra fa mandeha mitady Dia izay 'lay paka miavaka, Pakanay mafiady.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/rehefa-maty-aho
REHEFA MATY AHO
NY HERIMAR
REHEFA MATY AHO Sahiran-tsaina ihany izaho raha nibanjina an-dRafahafatesana; Nihodivitra sy velon-talaho nandinika ity lalana izay hankanesana. Fa rehefa maty aho: Ho tsiaro ireo zava-bita; Ary ny marina tsy tsaho, Ny hafaliana mety ho hita. Ny hendry handeha hitomany raha mahatsiaro irony fisiako; Fa ny adala dia hivanivany Manokatra ity fasam-podiako. Fa rehefa lo ny tavako, Ny sofina tsy hahare feo; Ny eritreritr'ireo havako ho feno embona sy toreo. Ny masoko tsy maintsy hikimpy, Ny oroko tsy maintsy ho loaka; ka tsy hahita ireny hanim-py sy rendrarendra ary toaka. Dia ho rava ny fieritreretana, Ho foana ny adin-tsaina Fa Razoky Rafahafatesana no manantso sy manapitr'aina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/izahay-mahantra
IZAHAY MAHANTRA
NY HERIMAR
IZAHAY MAHANTRA Fantatro efa ela f'izahay olo-mahantra, Tsy be fitarainana satria efa zatra; Ny fijalian-mangirifiry no mba sakaizanay, Raha resaka fiadanana tsisy fantatray. Izahay olo-maro longo manao dia maro Saingy olon'ny masoandro fa tsy mba tataro; Tsy anananay hatrizay raha ny hasomparana Fa zaranay indrindra raha mba misy manana. Indrisy...izahay mahantra vodifahatra ihany, Ihandronan'ireo ratsy eto ambony tany; Raha misy zavatra tsy hita na koa tena very, Dia izahay madinika no ampiharana hery. Izahay mantsy tsy mba manana ny ariary, Moa ny sakafonay rahateo anana fa tsy vary; Ka tokony ianareo na hitsara ety ivelany satria jamban'ny vola ka tsy mahita izay erany. Ny lambanay rovitra satria tsy mba manana, Ny mampiseho ny fanafina, reharehan'ny mpanana; Dia naleonareo nividy efa rovitra indray, Tsy mba fantatrareo fa ny anay tsy sitrakay. Hatramin'ny zanantsika marina moa efa tsy mitovy, Ny anareo mihinan-kena, ny anay voky ovy; Ny anareo na nandra aza mahazo toerana ambony, Fa ny anay manam-pahaizana lasa mpiloloha gony. Izahay lasa mpifidy na dia manam-pahendrena, Mametraka ny mpanana izay mpambotry firenena; Mamitaka anay madinika mba hahazoana toerana Kanefa izahay avy eo tsy mba asiana fiheverana. Tsy maninona anefa fa ny mahantra dia izay, Efa tsy im-pito voafitaka fa mbola tsy fay satria mbola manantena foana fiainan-tsaratsara, Ary vonon-kosorona ho an'ity GASIKARA.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/vehivavinny-alina
VEHIVAVIN'NY ALINA
NY HERIMAR
VEHIVAVIN'NY ALINA Miandry izay ora hamaty masoandro ireto vehivavy mpatory atoandro. Ny azy tokoa tena hafa tanteraka fa manjono ireny kanosa somary miveraka. Izy miavaka lavitra amin'ny mpamosavy ka hoe hamely mafy fa tsy miangavy, Fa ireny bandy ireny langoiny tsara Anetsehany ny vatany, tonga dia tara. Na ririni-mamirifiry na andro mafana dia tazana foana eny ambany tanàna. Tsy atahorany mihitsy raha izany aretina ka tapin-taova ihany sisa no entina. Ny ratsy marina, hono, tsy tery lalana Fa dia vadin'olona hany no iadanana; Fahasambarana vetivety anaty minitra Rehefa ialany lasa mipitrapitra... Vehivavy ratsy vintana sa ratsy safidy ka dia milomano loatra amin'itony asa mangidy? Tsy nisy mpanontany sa hoe lany zara no tsy matory an-trano amin'itony andro manara? Amiko,tokana ihany no anton'izao: dia ny hakamoany hampiasa ity saina nefa te hahazo mora izay rehetra ilaina farany mivarontena no sisa atao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-manahy
AZA MANAHY
NY HERIMAR
AZA MANAHY... Aza manahy akia ianao ilay nandrandraiko fa hoesoriko aminao raha ny fo sy ny saiko, Ilay fo izay nankatia ho anao doria. Aza manahy akia ianao razana-dandy fa ny finoako ato manantena ny malandy na niarianao indrisy aza, hahita 'zay ho sahaza. Aza manahy fa ny fahasambarana nomaniko, Hotazomiko hatreto hiandrasana izay mamiko; Homeko izay mendrika azy fatratra ilay fitia vao misantatra. Aza manahy akia raha izay fanajana, Taminao tokoa aloha ny foko no tamana; Fa homeko azy ilay tia ahy, mpampionona fanahy. Aza manahy fa ny eritreritro fahiny, Efa niova araka izay nirianao ankehitriny; Lasa saina sy fo tsy tia herika, Taninandro fa tsy erika. Aza manahy ny amin'ilay foko nitsiriritra sy masoko fahizay izay zatra nipitrapitra nanjohy anao nangina irery: Niangavy fa tsy nanery. Aza manahy f'ilay fararanom-pitiavana izay nahilikao sy nasetrinao fandavana, izao efa nahay nionona na tsy azo ny tolona. Aza manahy fa na any volana na taona, Ny dianao mety mbola hisy koa hivaona; Dia iareto akia izay ngidiny fa ny anao fidiny. Aza manahy ianao fa ny saiko sy ny foko, Mbola ho difin'ny sento sy ho lavitra toloko izay mameno ahy anio, Izany no tadidio.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ho-anao-ry-neny-malala
HO ANAO RY NENY MALALA
NY HERIMAR
HO ANAO RY NENY MALALA, Any ianao ry Neny ilay malalako tsy foiko, Ilay tokako eto an-tany, ilay tsy afaka soloiko; Mamiko re ianao ka tsy azoko atakalo Mbola vonona aho hitia, tsy hieritreritra himalo. Ianao ilay nikolo sy nitondra folo volana, Mpankahery ihany koa fony aho nanan'olana; Nibaby hatraiza hatraiza na alina na andro, Ianao ilay reny niteraka, ilay nahitako masoandro. Ianao ilay fatsakana, loharano niandohako, Ilay nikely soroka sy niaritra ny fahadalako; Ianao ilay mpanambitamby sy mpanome fifaliana, Tsy namela ahy ho irery tao anaty fahakiviana. Raha toa ka tsisy anao izaho dia tena tsy noary, Mbola nokarakarainao koa izaho raha narary; Ka ny fiainako tontolo nanehoanao finiavana, Manginy fotsiny amin'izany raha ny lafiny fitiavana. Ianao namolavola ahy tao an-tranon-draiko, Ka ireny anatrao tsy hovimbiniko fa hobataiko; Hilomanosako izy ireny mandritra ny androko tontolo, Fa ianao ilay ela nihetezana ka lava volo. Fantatro ianao ry Neniko fa tena mirovirovy Saingy hotiaviko ho doria, ka izany no tsarovy; Fantatro ianao fa tsy toy ny renin'ny rehetra, Tsy ho menatra anefa aho, izany no ho tarigetra. Koa mahereza ry Neny fa mbola ho tafarina, Aza kivy na ketraka amin'ny fanaovana ny marina; Fa ianao no olon-tsambatra, eny na dia tsy manana Satria mazava fo ary koa mahitsy tanana. Tso-draniko ry Neny: mahalavà andro iainana, Ho lavitry ny ankaso sy ny ora fanaintainana; Hiantitra amin-jafy sy amin-janaka hendry, Hitsiky aminao anie ny vintana sy tendry. 14:34’
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ho-porofoiko-aloha
HO POROFOIKO ALOHA
NY HERIMAR
HOPOROFOIKO ALOHA Nandresy lahatra ahy ity mpitoriteny iray mba handaozako ny finoako ka hifindra any aminy; Dia nahodiny ny saiko, novereziny indray ka ny tenin'Andriamanitra ihany no nindraminy. Lazainy ny finoako fa fakofakon'ota, Lalana makany e amin'ny fahaverezana; Dia ny fanaratsiana nataony nisosasosa, Mba hanerena fa misy tsy fetezana. Izahay katolika, hono, mpanompo sarivongana, Mivavaka ihany koa amin'ny Masina Maria; Lazainy ny finoako fa tena tsy tomombana, Tahak'ilay kapa ery ambany faladia. Fa ny finoany, hono, no marina indrindra, sy lalana tokana makany amin'ny Ray, Ao no misy lafatra sy mahay indrindra, Tsy maintsy ho henina ilay mandrakizay. Ka avia, hono, izaho raha te ho avotra sy te hahazo ilay paradisa an-tany; Fa ny finoako, hono, dia mihataka lavitra, Ary tsy inoana fa mizotra makany... Saingy hoy izaho misaotra anao aloha nandany fotoana tamin'ny fanaratsiana; Omeko ny mahereza rehefa mifoha, Misinda amin'ity toetranao feno habibiana. Omeo fotoana aloha hanaporofoako hoe tena hijaly izaho raha mandao ny tany; Dia ny marina rehetra momba ny finoako, Rehefa maty aho handeha hamaly izany. Rehefa maty aho hilaza aminao ny miafina rehetra ambadikan'ity tazana; Ka hovoriako daholo raha azoko atao, Ireo nodimandry sy lasan-ko razana. Hanontaniako mafy izy rehetra ireo izay nitovy finoana sy nivavaka tamiko, Hohadihadiako koa sao mba toreo, no anjaran'izay mino an'ilay Andriamanitro. Raha tsy misy porofo, izaho tsy hiova izany, Tompoy ny anao fa ny ahy holalaiko, Hiaretako io na ho toloko sy ho tomany, Eny na hoesorinao mbamin'ny aiko. Fa hoy ny tomponay: "Aza mba mitsara", Ka izany ny ahy no tarigetram-piainako; Tsy ho fantatro izay ho setrin'ny anjara Ka Izy Tompo irery ny ahy no fitarainako. 11:03'
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ampitapitao-any-aminy
AMPITAPITAO ANY AMINY
NY HERIMAR
AMPITAMPITAO ANY AMINY.... Raha sendra ianao mihaona amin'ilay tiako any Ireto volanko ireto mba ataovy tonga any aminy: Tsy izao intsony, hono, ilay ora hahabetsaka tomany Fa efa ela ihany izay fotoana nilany vaniny. Teneno izy hoe:"efa voadio, hono, ilay foko Izay nohosehosenao ka voalotonao fitaka; Amin'izao, hono, efa lasa tsiky ilay toloko Ka aza gaga raha maheno ahy mibitaka. Nanenenako mihitsy, hono, ny fiarahana taminy Satria ny asasamanilan'ny androko no laniny Kanefa ny nasetriny izany dia hany dikadika. Tofoka ny tokampo taminy, hono, ilay voromahilala Ka lasa izy nifindra toerana no sady niala Satria ianao ilay tiany sady tsy hendry no mivika." 01:52
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ry-gasikarako
RY GASIKARAKO
NY HERIMAR
RY GASIKARAKO Tena tsy hitony ny saiko ary hiloatra foana ny ato anatiko raha tsy dify izao mahazo anao... Fa ny mampisandrahaka ny ahiahiko dia noho ianao ihany ry taniko. Na osa ny sandry sy vatako, Hiady ho anao foana ny saiko; Raha ilaina ny nofo aman-drako, Eny hafoiko mbamin'ny aiko. Satria izaho no mitafy tsara dia noho ianao ry Gasikara!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-ela
EFA ELA
Fredy Jaofera
EFA ELA Efa ela no nizorana ny lalam-pahatsorana fa tsy mba nety taminy na zavatra tsy maminy. Efa ela no nivoizana ny lakam-pikirizana fa tsy ny tao an-tsainy 'zay tody ka tsy ilainy ! Efa ela no naniriana an'ireo tokim-pitahiana fa tsy hita ho eritreriny sao hihombo ny feriny. Efa ela no nezahina ny tiana hotanterahina fa tsy araky izato fony ka jereo fa be lonjony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/fampaherezana
FAMPAHEREZANA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Raha mitomany ianao dia vakio ny soratro Aza atao ho mpandatsa fa ataovy mpampahery Raha mitomany ianao dia aza malahelo fa... Mbola tiako ianao ka tsy havelako irery Havotako hatrany, tadiaviko raha very Ka mijoroa ianao, fafao ny ranomaso Aza arahin-tsento fa ataovy ho fifaliana dia... Tehirizo f'aza ariana Iny antony iny Raha mitomany ianao dia tadidio ny lasa Mijoroa reseo fa aza avela handatsa Fa raha mivatravatra, ny ranomasonao dia... Tadidio f'izaho efa nanoratra ho anao Tsy handatra fa hampahery Hitady anao raha very, hivavaka ho anao Hikaroka vahaolana, anao zay azo atao Raha mitomany ianao dia vakio ny soratro Ataovy ho mpampahery ny teny izay voalahatro Fa ilay namanao tsy mahafoy anao no nanoratra anreny Teny vitsivitsy hanehoako anao fa TSY IRERY IANAO "Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo; Eny, fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindrampony. Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona" FIT 3 :31 -33
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/indrindra
INDRINDRA
Fredy Jaofera
INDRINDRA Ny ranomasina lalina indrindra misy farany ; manan-kasina sy tsy voafindra ito tarany ! Ny tendrembohitra avo indrindra misy tendrony, na aiza ny vohitra tiana hirindra ka fendrony !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/fifonana
FIFONANA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Malala a! Malahelo aho, manjombona ny tavako Tsy noho ianao anefa fa... noho reo teny zay voalazako Tsy voahevitro mihitsy ny mety ho voka-dratsy amin'ny fitiavako Mitsikia anefa fa... hobedesiko ny vavako Tsy hanao teny zay mandratra ho anao malalako Satria Tsy tiako hifarana eo ny fiananao mba ho tantarako, ka Mifona aho satria, tsy nijery anao nande teo anoloako Fa olon-kafa no resahako, olon-kafa no niarahako fa ianao toa tsy nahoako Mifona ry malala Izaho moa ve nahalala fa... Nampalahelo anao iny fihetsiko iny Matokia anefa fa izay vitako fahiny Dia honerako avo maro amin'izao fotoana izao Hanamporofoiko fa mbola tiako ianao Malala a! Malahelo aho, manjombona ny tavako Malala a! Malahelo aho, voafatotra ny vavako Ataoko ahoana indray no hilaza amin'ny hafa Ireo fitoriam-pitia nataoko taminao, raha toa ianao ka lasa Na ianao namafa Ilay salovantavako Efa vita hosodoko, tamin'fonao bangabanga Eny ekeko aloha, fa diso za angamba Nefa sahiko ny milaza, izao anio izao fa mbola tiako ianao.. II KOR 2 :2
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/oram-baratra
ORAM-BARATRA
Fredy Jaofera
ORAM-BARATRA Oram-baratra no mipoapoaka mianavaratra ka tsy mivoaka. Oram-baratra mamoha alahelo tsy mitaratra anao na ny avelo. Oram-baratra mivatsy tomany ka miharatra fa toa te ho any. Oram-baratra mirotsaka mafy hita miraratra ny lazan'an-dafy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-sahaza
TSY SAHAZA
Fredy Jaofera
TSY SAHAZA Tsy sahaza anao fa tsy mitovy lenta ianareo roa izao 'ty lasa ho talenta. Tsy sahaza anao ny kanto, na finarita fa tsy tia lalao no zavatra tsikaritra. Tsy sahaza anao ny ainga vita soratra fa dia tao ho ao tsy olona mba ohatra. Tsy sahaza anao ny valim-pisasarana fa tsy mba natao hahazo fitsaharana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/leo
Leo
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Kivy ny fanahiko, reraka ny foko Nanjoy anao hatrany sy niezaka nitia Ankehitriny kosa hofafako sy ho soloiko Ny momba anao rehetra aty amiko satria: Tsy noheverinao akory ny anton'ny fisiako Fa ankehitriny kosa dia efa voasafidy fa... Efa sitrana ny feriko Ny tsaranao tsy mamiko ary ny maminao tsy teliko Asa, fotoana angamba izao hanapahako ny tady Tsy ianao no izy ka any ankafa aho no hitady Saingy izao anefa: aza manadino Fa efa tia anao aho fa ianao no tsy nino Kanefa izao tsarovy: ,,Un jour viendra,tu me trouveras mais dans ce moment-là, je t'eliminera"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tiako-kokoa
TIAKO KOKOA
Fredy Jaofera
TIAKO KOKOA Tiako kokoa ny morom-parihy rehefa ory sy voa ary toa tsisy dihy. Tiako kokoa ny hijery tatamo rehefa miandoha 'tony hamohamo. Tiako kokoa ny tsikiny foana hampiova tokoa, na tsy tafahaona. Tiako kokoa ny ho eo anilany rehefa kotsa koa ny maso fa silany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/kristianina-fitaratra
KRISTIANINA FITARATRA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Kristianina mitia Tsy mampiady fa mampiavana Tsy miatsara ivelatsihy Fa izany no fitiavana Kristianina mitia Sahy mijoro ho sakaiza Tsy handatsa sanatria Fa manampy n'aiza n'aiza Kristianina mitia Tsy mitsahatra manampy An'ireo zay very dia Ary koa zay mila vonjy Kristianina mitia Tsy mampalahelo ny sakaizany Fa manampy mba hananany Izay ho solika fitaizany Kristianina fitaratra Manaraka an'i Kristy Ka ny tena atao filamatra Tsy mitsahatra mitia Jereo Izy tena tia Dia nanolotra ny ainy Mba hamonjy antsika etÿ Ho Voninahitry ny Rainy IZAY TENA SAKAIZA TOKOA DIA TIA AMIN'NY ANDRO REHETRA SADY MISEHO HO RAHALAHY HAMONJY AMIN'NY FAHORIANA OHAB 17 :17
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vata-fahitalavitro
VATA FAHITALAVITRO…
RRAG
VATA FAHITALAVITRO… Jineriko ianao, toa mainty sy fotsy, fa ny sarinao, no mandrotsirotsy. Tinazako andro, eny hatramin’ny alina, izay entinao, toa tontolo mahafanina! Vinitra ery izato masoko hijery, indraindray aho, miteniteny irery. Izy no namako, mba hiresahako, isan’ireo, mba nanoro ny lalako!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/resaky-ny-mpivady
RESAKY NY MPIVADY…
RRAG
RESAKY NY MPIVADY… Tsaroako malala a! Foiny isika roa, vao niarakaraka, dia azoko daholo izao sy izao! Fa vao nivady isika ka tena hoe tafaraka, ny fitsingerenan-taonako aza, hadinodinonao! “Izao anie ry tiako e! Izao no tadidio, hoe tsy mitovy intsony ny omaly sy ny anio. Ny isan-jaza koa moa, ‘ty efa mitaky, avy eo reraka ny tena, ka mila ny hitapy!” Taloha kosa akia a! Dia oroka nisesy, natolotrao ny molotro, hifanesisesy. Ny teny tiako koa, tsy ambakan’izy ireny, hila isa-minitra ianao dia mahaloa-teny. “Tsy hoe hadino kosa e! rera-dava aho. Reraky ireo asa, avy any amin’ny birao. Dia hatraty an-trano dia mbola very saina, na segaondra iray aza, tsy ahafahako miaina.” Ny asa ve no mafy dia izahay no tsy tsaroana a? Ka ny resaky ny ankizy, tsisy valiana fa moana! Ireny ry zareo, mba hoe miangotingoty, dia tsy mba mahazo akory, izay mba rotsirotsy. “Ny anao koa ‘ty toa loza! Ilàna vaniny avy, izay rehetra fihetsiko, fa tsy handeha aloha mandry. Leo aho! Leo ‘ty monomonona, fa ‘ngamba mihitsy ianao, miheno vavan’olona.” Malala a! Sao izato ianao, hilaza ny tsy hanontaniana, ka mailo avy hatrany, resin’ny hovi-panahiana. Toa hafahafa ihany mantsy, izato fihetsiketsikao, toa ohatran’ny hoe hamboraka, ny hadalana izay natao! “Aoka mihitsy izay e! Tena aoka fa mahasosotra, ny anao dia ràtra an-teny no hany avoaka molotra. Tsisy tambitamby, tsy ahitàna fampaherezana! Ianao koa moa ‘zany ka, mihevitra ahy ho vendrana a?” Ialako tsiny raha toa ka nahatezitra, saingy ilain’ny saiko, ny mahalala izay marina, afeninao ry aiko. Tiako ianao tsy laviko, fa raha mihoatra ny eritreritro, dia aza omena tsiny aho fa, tena tsy holeferiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/zagnahary-tsy-mitahy-mand
Zagnahary Tsy Mitahy Mand
Avoss jah
Zagnahary Tsy Mitahy Mandry Mila Mampiasa Coco Fa Tsisy Idirany e Sandry Tsy Maintsy Mijaly Vao Mahita Gne Mamy Raha Te Ho Tafita Ambon'ny Tany Aza Mialony Ny Vitan'ny Hafa Fa Mila Miketrika Mafy Raha Te Ho Tafa Aza Kivikivy Amin'ny Zavatra Atao Fa Manaova Izay Tratran'ny Herinao Gne Vitany Gne Say Tsy Vitany e Sandry Gne Vitany Gne Zoky Mety Tsy Ho Vitany e Zandry Tsisy Raha Tsovita Gne Fisainany Raha Mbola Misy Tanjona
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/sovenira-farany
SOVENIRA FARANY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Taratasy iray efa vasobasoka Mitahiry lasa maro, mafy sy mangidy Valopy maintimainty, miendri-bolo-pasika Mangidy toa tangena, nosokajiako ho sarobidy Taratasy lava, toa soratananao Lay peratra nomeko, toa naverinao Tsy navelanao valiana nefa tsy fantatrao Lay sariko aza ariana fa mbola tiako ianao Raha mba fantatra no lasa redirediko Raha namaky an'iny soratananao Zao toa saika simba ny foko fa voabediko Nahoana re no tiako, tsy hafa fa ianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/malalako-fahiny
MALALAKO FAHINY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Tsy voatanako mihitsy ny alaheloko fahiny nefa... Nosolaiko fifaliana izany ankehitriny Mba tsy ho tsaroako intsony ireny lasa ireny Nangidy loatra tamiko ary tsy tiako hotadidiana raha iny ianao niteny Fa Olokafa indray no miaraka aminao, nasolonao ny toerako Tena tiako ianao ka navelako nandeha fa tsy mba noferako Satria: Mahatsiaro sambatra aho ary falifaly Raha miadana ianao sady tsy mijaly Tsy arahako alahelo satria malalako fahiny Notiaviko tokoa, tami-fo madio, nanaovako ilay voady Nefa tamin'iny dia ravanao sahady Aza malahelo ireny lasatsika ireny fa.... Efa sambatra aho Mahita anao finaritra eny antratrany eny Tiavo tsara izy amfonao manontolo, f'izany no hasambarako Tsy hanaraka alahelo aho raha manganohano fa... Te handoa tso-drano hoe: Ry malalako fahiny, mahorena tokatrano. HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA. HALELOIA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-apondra
NY APONDRA
Fredy Jaofera
NY APONDRA Ny apondra dia sarobidy any an-tendrombohitra ; diamondra fa mpandidy, na misy be mpanohitra !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rahamitroatra
RAHA…MITROATRA…!
RRAG
RAHA…MITROATRA…! Raha mbola mangina ny fo tsy mitroatra, dia aleo handry ihany fa aza terena. Fa hisy alahelo hahatonga azy hipoaka, ka hamoha azy handrava izay nifanekena. Raha mbola milamina ny aty fanahy, dia aza terena hitsiry fankahalana. Fa misy fetrany ihany ny fandatsahan-drà, avy eo indray dia holazaina fa hoe hadalana. Aza tinerena hifoha ny saka matory, fa mbola hisy hifohazany indray andro any. Ny saina mantsy anie mitroatra raha ory, nefa miafara amin’ny ady hatrany. Indrisy anefa ry mpiaro vahoaka, fa notairinareo ny hambom-pony matory. Raha ankehitriny izy no mikiry mitroatra, dia vinakin’ny hatezerana sy ny sorisory. Raha mbola ny fananany no nalainareo, nangina teny izy fa tsy te hisahotaka. Fa ‘ty ain’ny zanany nalatsakareo, no mety hahamafy ny ady sy rotaka. Ny anareo basy sy baomba an’alina. Ny azy tanam-polo miary fahavononana. Ianareo an’arivo na mety aman’alina, fa izy aman-ketsiny no vonon-kisorona. Tsy hisy rahoviana handresy vahoaka. Tsy misy mahery mihoatra ny bala. Fa tsy tananao izy rehefa hitroatra, na hery tsy hitovy io na isa tsy ho sahala.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-izaho-no-izy
TSY IZAHO NO IZY
Fredy Jaofera
TSY IZAHO NO IZY Tsy izaho no izy ka aleoko miala, tsy ny ambozizy no ilain'ito vala. Tsy izaho no izy ka aleoko miova fa mafy izaitsizy ny tsy fandova. Tsy izaho no izy ka aleoko mioty nofinofin'ankzy fa dia kamboty. Tsy izaho no izy ka aleoko mody ; mahery ny krizy ka aza manody.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-fahafatesako
NY FAHAFATESAKO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Raha lalaam-pahafatesana no indro efa hitako Lalampahafatesana tsy didiko fa didiny Tsmaintsy ekoko zany ny hamarana ny ditrako Dia ny hisaraka aminao hofaranako tsy fidiny Raha lasana aho ka hody indray andro-any Raha lasana ka maty hiala eto an-tany Ianao no malahelo tsy maintsy misy izany Mahereza anefa ka aza mitomany Fa zah raha lasa any tsy hankaiza akory Fa navela hiala sasatra, nasaina mba natory Fara androko io ka aza malahelo Mivavaha ko mba tsy hisy izany helo Ka ny fahafatesako tsy hangatahako andro Iriako mba ho maizina malaky izany atoandro Fa ny kapoakako fisotro,mangidy sy afero Ka raha lasana aho ka maty, ny nofoko atero Raha lasana aho ka maty dia izao no mba hevero Irio ny ranomaintiko mba hamelovelo Ka tadidinao, f'izaho lay nody mandry Fa ny anjaranao mahaiza ianao mahandry Veloma re ry havako, mandrakizay raha tazako Veloma mandrampihaona. NY FAHAFATESAKO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/antsonny-kamboty
ANTSON’NY KAMBOTY…
RRAG
ANTSON’NY KAMBOTY… Eo an-joron-trano, mitomany mahatsiaro, ‘lay teo anilanao, Reniny tsy foiny. Tsaroany irony, fitia mifangaro, tamby sy orokoroka, niraikitra tam-pony. Eny ny azy ny antsony, no ampitaina hita any, ho ren’ny tontolo, ho ren’ny vazan-tany, fa izy aty mahatsiaro, ka velon-tsento sy tomany. Eny no hanaovany ny hikany, mba hiampitan’ny sentony! Eny koa izy no hampitony, hitsabo ny fisefony, vokatry ny ora, minitra sy segaondra, nandaozanao azy. Izay fandaozan’ela indrindra, tsy mba sangy, foiny ianao nivazy. Eny no hanipiazany, hita rano maro, hanerana tontolo, ny porofon’ny fitiavany, ‘lay tsy nisy nahasolo. Tsy nisy afaka nitanty, ka ho afaka ny hikolo! Eo an-joron-trano, mivetso sy misento, manina anao, mahatsiaro anao ‘lay teto, nitondra tambitamby, sy ireny hantahanta ireny! Hafa ihany izany hoe: “Anilanao ‘lay Reny”. Anilan’ilay toky, sy vatolampy fiankinana, zary tahirim-boky, irony lalanao nidinana. Ny antson’ny kamboty, an-dalam-pisidinana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tsisy-intsony
TSISY INTSONY
Fidy Art Niaina
Tena nisy akia lehilahy tokampo Tsy naditra fa nanaja anao tokoa Saingy, indrisy, tsisy intsony izany izao Vokatry ny hadalana nataonao Tena nisy teto tia ka dia nihafy Na dia maro mpaniry aza, tsy mba nampirafy Ankehitriny tsisy intsony izany Mahatantesa fa vokatry ny hadalanao ihany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/veloma-farany
VELOMA FARANY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Rehefa maty aho ka tsy afaka miteny Aza ariana fa tehirizo ny sisa diatongotro Saino andavanandro ireny teny ireny Tohizo f'aza ajanona ny zavatra natomboko Rehefa lasana aho ka mandeha mamakivaky Intsony tsy eto an-tany, amin'ny habakabaka iny Iny asa soratro iny, ataovy ho vinaky Ataovy fahatsiarovana ho tsiaro ny fahiny Rehefa lasana aho, tsy hiaona intsony isika Ataoko f'efa ampy ireo karazantaona Fahavaratra mijoy, ririni-mangatsiaka Niainako daholo hatramin'ny lohataona Rehefa lasana aho ka hody any amin'ny razako Hiverina ho vovoka handao ity firenena Paoly sy Jôhany, Jakoba efa tazako Ny anjely Gabriela iny efa mitsena Rehefa lasana aho, veloma mandrampihaona Tsy maintsy hifarana eo izany fiarahana Rehefa lasana aho, aza mba misaona Fa tehizo k'aza ariana ity veloma farany. REHEFA LASANA AHO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-afaka-mahatsiaro
RAHA AFAKA MAHATSIARO…
RRAG
RAHA AFAKA MAHATSIARO… Raha afaka mahatsiaro, ka hifoha avy any am-pasana, na afaka mamihina, ny olona efa lasana. Dia hisy indray masoandro, hanampy ny efa misy, ka ny alahelo rehetra dia, ho foana sy ho dify. Raha afaka mamafa, ny ranomaso an-tava, na koa hanafoana, ny tebiteby lava, ny havana efa lavo, dia hitsangana hampitony. Saingy indrisy anefa fa, efa tsy any intsony. Raha afa-notambazana, hamita valifaty, hamaly ireo nandràtra, sy izay nanao ratsy, ny sakaiza efa nianjera, dia hafa no hiseho. Kinanjo tsy afaka izy, fa ny azy efa hatreo. Anjaranao irery no, miatrika ny fiainana. Iza moa ny velona, mba afaka hitarainana? Honjohonjo irery, ny adinao ety, fa ny izay hanampy anao, dia ho sanatria! Raha azonao faranana, ny vesa-pahafatesana. Na azonao hatsangana, ny faty izay iambesana, dia hisy volana eny, hisolo ny masoandro. Ka ho fifaliana, no hatrehana isan’andro. Raha afaka mahatsiaro, minitra iray monja, ka miezaka mamaha, ny fatoram-ponja, ireo izay nandrandraina, mpitondra fanjakana, dia efa ela no nandroso, ity Madagasikara!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahenina
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHENINA) Faniry…! Miantsampy any ho any, ny topimaso tia. Mijery sy mibanjina, maniry hiara-dia. Tsiriritram-po, mievotra tsy tana. Ny tsiky, ny endrikao tomaratra dia, zary mahatamana. Vonjy…! Nofin’ny samy velona, arahana talaho. Atao anaty vavaka hoe: “Zanahary ô! Aiza ianao? Vonjeo ny taninay, fa mila tsy ho tafita. Raha sitrakao ry Ray, ataovy toy ny any ampita”. Taratra…! Fanilo mpanazava, ny haizina mpandrava. Volana baliaka, mpitondra ny mazava. Isam-panantenana, handresena ny alahelo. Izay mbola misetrasetra, minia mihelohelo. Antsa…! Kalo avy any am-po, antsain’ny fanahy. Famafa ràtra koa, mbamin’ny ahiahy. Tsanta novolen’ny ivom-panantenana. Saronan-tononkalo sy hira, mitondra hafanana. Ravo…! Mari-pandresena, tinaratra eny an-tava. Mari-pihobiana, aloakan’ny vava. Mametraka ny tena, an-kianjam-pifaliana. Ka hahavita ny kinasa, tanaty vivavina. Oly…! ‘Lay nahosotra ho hery, zary fahasahiana. Hahafahana mijoro, handresy fijaliana. Fatoram-belirano, sy toky avy ao am-po. Sady nitondra mamy no, nanolo-java-tsoa. Feno…! Entina mamàtra, zava-maro loko. Manambatra ny miparitaka, fa tsy manatsitokotoko. Manampina ny banga, manentsina ny loaka. Mihazom-pifaliana, tsy mamela azy hiboraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/haza-be
HAZABE…!
RRAG
HAZABE…! Nikaroka ihany taloha, fa toa mbola tsy nety nambinina. Indraindray aza vaky ny loha, ka nikaton-trano nimpirina. Tsy sahy naneho ny endri-tava, menatra tsy nanan-tantanana. Dia nangina fotsiny ny vava, nokianin’ireo nilaza ho namana. Vorombe iray no sendra nandalo, toa sady taviny no volony. Tsara feo ka injay velon-kalo, oay! Ity hakanton’ny molony! Dray koa! Toa natopany ny volony. Ilay somary manaronaron-tava, hita ery hoe tena voakolony. Izato izy, sady tsy fohy no tsy lava. Ny tsikiny lahy, toa tara-masoandro, mitondra hazavan-tsy misy fetra, satry hotazanina isan’andro. Izy aloha dia miavaka, amin’ny rehetra. Toa tsy miavona no sady sariaka. Marina raha tsy efa babo ny tena. Nefa toa nofinofy ny antsika, fa ay ianao, vahiny mpiantsena! Mpandalo ka tsy ho ela fitoetra, hazabe toa tsy mety ho voapala. Ny fivaniananao eto Iarivo voafetra, fa mbola hody any Vohidiala.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/fo-mijaly
FO MIJALY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ny foko torovana ts'isy ohatr'izany Fa ampitahorina sy ambanankofaizina Tsy fantatra mihitsy ny anton'izany Sa ve ny mazava no havadika maizina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/niova-pejy
NIOVA PEJY…!
RRAG
NIOVA PEJY…! Lalina dia lalina, tsy takatra isainana, ny firedaredan’ny fony tena tia. Ny tontolo androny, zary fitarainana, naniry dia naniry, ny mba ho tafara-dia. Kinanjo setrasetran’ny olo-mpankahala, no ninia namingana, ka nitondra ‘ty tomany, dia ny fony tia no, lazaina adaladala. Indro tsy namelana, eny! Raha tsy nijaly. Leo ny hirifirin’ny mitia fa toa tsy tiana. Leo ny fitapitaka nataonao ‘lay olon-tiana. Leo ny tebiteby, raha sendra ka tsy mihaona, ny aty fony ka, naleony indray nisaona. Naleony nofafana, tan’efitry ny eritreriny, mba hampitonitony, ny hirifirim-periny, ‘lay tsikinao nambabo, narahan’ireo angola, ka niova pejy izy, fa efa tonga ny ora. Efa hatreo ny fetra, nanindrianao ny fony. Ampy azy izay rehetra, nandrava ny fitiavany, ka rariny dia rariny, raha ny fony tsy any intsony. Dia ‘zay fifonanao dia, zary foto-pandavany. Niova pejy izy, tsy hoe tsy tia akory, diso tia loatra, ka manahy ny hijaly. Satriny tokoa, fony fony resi-tory, raha mety dia, toy ilay notairinao omaly!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahafito
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAFITO) Rojo…! Fatoram-by mamatotra, aina amin’ny aina. Isan’ny arofanina, ho an’ny sombin’ny aina. Foto-mampiray, ny hevi-tsy mitovy. Tetika mamaritra, irin’ny tena ho tody. Sahoby…! Kilalao nandrafitra, ny ivom-pihavanana. Misarisarin’endrika, ho fifandraisan-tanana. Miary fifaliana, toa ho hila tsy homby tratra. Ka zary toa fotoana, hanadinoana lasa. Aro…! Singa mihazon’aina, mandrava teti-dratsy. Tanjaka sy hery, afo tsy mety maty. Manazava saina, ka mampitroatra fo. Ny tody dia tsy misy, fa ny atao no mahavoa. Nantenaina…! Voa iray nitsimoka, tanivon’ny nofy. Ilay ainga mampitraka, sy ahafahana mitosy. Azo iankinana, saingy mbola tsy ary. Mandrapahatonga azy dia, miaritra ny jaly. Bakoly…! Mety hoe mora simba, na mora vaky koa. Mety ho sarisary fa, tsy tena voka-po. Saingy ny aza lavina, dia misy faniriana. Mamatotra ny tena, izay tsy aritra hodifiana. Lalaina…! Aina iray nirina, nateraka fitia. Famato-po roa, izay miara-dia. Nitsiry tao anaty, tsy hisy afaka hanafoana. Indrisy ny eto an-tany fa, voaozona hisy hisaona. Avotra…! Fahafahana tsy takatra, tsy tsapa raha tsy tonga. Hery anaty tsy hay fiaviana, fa nandrodana ny fonja. Namaha ireo fatorana, tsy taza-maso akory. Namoha ‘lay eritreritra, ‘zay diso resi-tory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-farany
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FARANY) Hary…! ‘Lay tefy sy volavola, nivadika ho aina. Ilay haizina tsy takatra, zary toa maraina. Tomefy misitery, fahagagana maro. Singa tsara voatra, no ainga mifangaro. Manda…! Vesatry ny lanjan’ny fanantenana. Fahefan’ny fo, hitia am-panajana. Hery ambonin’ny hery, tsy tohitry ny saina. Hazavana vao, nitondra ilay maraina. Harena…! Ilay tsy tambo isaina, tsy hita horefesina. Misy ny mety haharitra, fa ao ny ho harafesina. Ny fahendren’ny tena, dia vitsivitsy mpanana. Fa ny hafa, hisy hitsiriritra, ka haka ny eny an-tanana. Koly…! Rivotra mitsoka, mitondra ainga vao. Famafa ranomaso, nondesin’ny talaho. Fanavaham-pejy, hahafahana miroso. Ny tanjona kinendrena dia, samy mba handroso. Nivo…! Ivom-panaperan’ny hatsaram-panahy. Hazavana mampisava, ny vesatr’ahiahy. Ivom-piafaran’ny setrasetran-tany. Hikam-pisandratan’ny fihavanana hatrany. Sariaka…! Mandravaka ny tava, manori-pifaliana. Mahatonga fo hisava, tsy hitàna fanahiana. Mamelombelon’aina, mitondra tsiky vao. Halalàna foana fa, tena tanora ianao. Antso…! Feo mety hanako, an’efitry ny nofy. Angolan-tambitamby, re mandrotsirotsy. Misafo ny aty fanahy, mitondra fahasahiana. Henoy ‘zany firitsoky ny antson’olon-tiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eto-sy-ato
ETO SY ATO…!
RRAG
ETO SY ATO…! Miantsampy an-kianjan’ny nofy, ka mamihina anao. Toy ny tsiaro mitampody, ao an’eritreritro ao, no mitamberina eo imasoko, ka manembona ny saiko. Asa! Malahelo anao angamba a? Toa tsy haiko! Toy ny sioka iray miantso, olon-tiana ilavidavitra, no miantoraka misintona, ny tena kanto mahafinaritra, ka zary lasa toa tsy tanako, ny fidobok’ity foko. Saingy tsy afaka ny hanohitra, raha tsy hoe ny mitoloko. Misy tia kay any ho any, fa tsy hitanao ry maso, fa ity nandrevo anao, dia olona mpiankaso. Saingy izy dia tsy hita, na dia teo akaiky ihany. Ny tena hahita anao, dia mbola nofy hatrany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ariary-dimy
ARIARY DIMY…
RRAG
ARIARY DIMY… Mangidy ny tsy manana, fa halavirin’olona. Na misy aza an-tanana, toa tsy hahavaha olana. Tsy mba hahazo akory, ny harapaka androany. Ariary folo ve dia, hahavidy na voasary? Mahantra ny tena, tsy noho ny hakamoana. Nikiry mafy ihany, dia niasa teny foana. Fa indray nipimaso, dia rava ny tan-tanana. Lasan’ny mpanambola, noraofin’irony mpanana. Ny tany najariana, lasa tsy mba nahazoana, na dia iraimbilanja ,tsy hahavoky kibo noana. Lasan’ireo mpitondra, lasan’ireo vahiny. Tsy raharahainy akory, izany azon-tsiny. Ariary dimy moa, hahavidy inona? Izay no tahiry, tsy azo atao ninoninona? Tsy hahahofa akory, tsena hivarotana! Ary tsy hahavidy, fitafiana horakofana. Ariary dimy aza, tsy hahaloa vidin-drano, mainka moa ka hoe, handeha hanofàna trano. Tsy hahazoana akory, rano hosotroina. Hisy handray ve raha atao, raki-panompoana?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-ani-neny
HO AN’I NENY…
RRAG
HO AN’I NENY… Ianao ilay nizaka, fijalian-tsy efan’ny aina. Ianao ry Neny tiako, ilay hany irery, tsy mba nitaraina. Nitondra ahy tan-kibo, sivy volan-tsy ankiato. Nefa izany taminao, tsy nangidy, tsy natsatso. Ianao no kintam-piainako, fanilon’ny hazavan’ny foko. Ianao ‘lay fitarainako, sady anarana fiantsoiko. Ireny aho raha sendra osa, mila tosi-tanan’ny hafa! Ianao re ry Neny, ianao no tsy mba nihafa. Ka ankehitriny ianao etoana, tratra fety indray anio. Tsaroako ireny izaho naditra, tonga izao dia ivilio, hoy ianao niteny mafy, tam-pahatezeram-pon-dReny. Hafa ihany ianao, hafa loatra ianao ry Neny! Ho an’i Neny tiako indrindra, indro arafitro ity boky, feno kalo misy rindra, feno dina feno toky. Fa ny anatrao rehetra, tsy ho ataoko ambanin-javatra, sady tsy ho asiako fetra, hampitaiko amin’ny zanaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/ity-hirako
ITY HIRAKO…
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
ITY HIRAKO… Ity hirako miranty ka misosa moramora Ity hirako milanto, lokoloko iray matsora Ity hirako marevaka, vonindraozy vao notazako Hiraketako mangina ny soanao ry tanindrazako Ity hirako misioka feo mangan-drotsirotsy Ity hirako baliako tsy sandaina volafotsy Raha tojo anao ny sento na mamangy ny toloko Ity hirako ry tiako : fara-lanitry ny foko Ity hirako lazaiko fa kisakisaky ny tanako Ho raketiko tsy miato mba ho fanilon’ny taranako Hiventesako ny hoby sy ny dera an-danitra any Ity hirako no laza, reharehako eto an-tany Fa ny tena ilazàko mihoatra lavitra ireny Dia ho anao r’ilay sakaiza izay mangina tsy miteny Ranomaso sy alahelo : ireo no mba sakafonao Eny, iky, ry sakaiza, inty ny hirako hiantsao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tsiambararoako
NY TSIAMBARAROAKO
Fredy Jaofera
NY TSIAMBARAROAKO Ny tsiambararoako ao anatin'ny foko dia saro-tarafina fa zava-miafina, marary mangina tsy hay vakina, tsy hay ambara fa efa anjara, mety ho safidy mbola mangidy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/faohanny-riana
FAOHAN'NY RIANA
Fredy Jaofera
FAOHAN'NY RIANA Faohan'ny riana ny fakon'ny lasa tsy hay nariana na dia nikasa. Faohan'ny riana ny loton'ny tany nahabe fijaliana sy nisy tomany. Faohan'ny riana ny ngidin'ny ora feno habibiana fony tanora. Faohan'ny riana ny ratsin'ny eto ho hamamiana ka mba raketo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahavalo
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAVALO) Sahondra…! Any ivohonao matetika, misy marina miafina. Misy rariny mimpirina, anaty efitra voahasina. Misy feo mitroatra mafy, re mitaky fahafahana. Ny vohi-pahanginanao, no hany tontolom-pahalalahana. Lisy…! Haingokaingon-jaridaina, mandravak’endriky ny saha. Mitondra hanitra mampitony, mba tsy hitroaran’ny fanahy. Mizarazara tsirim-pitia, ho fatoram-pihavanana, Mampiray mpifahavalo, ny mahantra sy mpanana. Diary…! Ilay tahirim-pahatsiarovana, noraketina ho tsiaro. Nanoritsoritra ‘reo dingana, nisy ràtra maromaro. Nametrapetraka ireo tsiahy, soa sy mamy tsy hadinoina. Tahirim-po izay mifangaro, lelan’afo tsy hay vonoina. Ritsoka…! Feo malefaka misafo, aty fanahy sy aty fo. Angolangola izay mamikitra, nanefy fitiavan’olon-droa. Mety koa voa ratsy, hanakorontanana ny lamim-bita. Saingy ny hoavy no mametra, tonga izany izay vao ho hita. Salohy…! Ilay maneho fiovàna, eny an-tendron-kazo maro. Mety fery, mety ho ràtra, na soa maro mifangaro. Saingy tokana ny hevitra, dia ny fahafahany mivoatra. Toy izany koa ny fo, rehefa mikiry ka mitroatra. Vatosoa…! Harena sarobidin’ny aina, rafi-bato maro tovana. Fifaliana an’endri-kanto, miady amin’ny fo torovana. Mitsabo mora ny fanahy, nanarom-pery irony ràtra. Lovasoa avy any anaty, noho ny tanjona ‘zay tratra. Navalona…! Ilay famaranana ny fetra, ilay manafina ny tsiahy. Ilay mangina tsy miteny, mba hitonian’ny fanahy. Ilay nikaro-panafody, hanasitranana ny anaty. Saingy koa mety ho mosavy, hampandry anao am-batapaty.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahatelo
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHATELO) Anjara…! Ianao ilay mamaritra, ny tsy takatry ny saina. Mitondra taratr’andro, manazava ilay maraina. Ivom-panantenana, voasoritra, foiny mbola tsy ary. Ianao‘lay fanomezana, izay tolo-janahary. Rova…! Akany fitombenan’ny fo resin’ny fitia. Akany alavirin’ny fihatsarambelatsihy. Efitra mandrakotra, tadidy tsy hay vonoina. Kianja nampitony, ny ràtra nentim-boina. Lafatra…! ‘Lay sarotra takarina, nefa tsy manan’elatra. Tokana namboarina, saingy toa mivelatra, farany tsy taka-maso, toy ny singa tsy hay tadiavina. Manify dia manify, toy irony marina. Felana…! Vony famantarana, ny fifaliana am-po. Zary fandaharan’ny fo iray te ho roa. Manambatra ny vina, ho toky sy ho velirano. Ho toro lalam-piviliana, raha sendra izay angano. Ravaka…! Tefy volamena, na diamondra miavaka. Mamiratra ohatr’izany, singa iray mampiavaka. Saingy maivan-danja, raha tsy eo‘lay fahendrena. Alavon’ny avonavona, sy ny fitiavan-tena. Soa…! Anarana matetika, hanarabiana ny hafa. Saingy harena tokana, tsy ringan’andro lasa. Mitoetra foana, na sarotra tadiavina. Kinanjo rehefa tonga dia, toa tsy hay holavina. Lahatra…! Soratra voafaritra, tsisy afaka ny hovaina. Ny foto-nipoirany dia, toa mankarary saina. Toa hoe iray jinery, amin’ny tendry sy ny anjara. Sady toa tsy afaka hamerana, ny fototry ny tantara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahasivy
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHASIVY) Tsiory…! Mety misy setrasetra, saingy tohitrao ireny. Mety misy alahelo, saingy ianao minia tsy miteny. Mangina dia mibanjin-danitra, manombantombana ny lasa. Toa tsy sahy misetra anao, irony sedra homban-dràtra. Miadana…! Fahanginana izany, filaminan-tsy manam-petra. Hatahoran’ireo mikiry, hamboly indray kisetrasetra. Fahavalon’ny korontana, novolen’ny mpankahala. Zary namanao azy izy ireny, koa iza moa no hahalala? Tsiaro…! Tamberimberin’ny lasa, sarotsarotra hadinoina. Ny hamoy azy toa tsy zaka, izy ho foana tsy hay hinoana. Misy mamy sy mangidy, saingy tosiky ny fiainana. Ny soa toa tsy ary ho safidy, raha tsy nisy fitaraina. Nandrianina…! ‘Lay napetraka ho avo, nokendrena hatramin’ny ela. Saingy mety singa ho nandavo, nahatonga anao nianjera. Na izany anefa aloha ry saina, tsy nahakivy velively. Fa vao mainka koa aza, herim-batana izy ireny. Mbola…! Famaritan-java-maro, tsy afa-perana rahoviana. Ohatrohatra toa hoe: “Mbola hoavy ilay tiana”. Mety tsy hisy izany anefa, fa nofinofim-pahanginana. Raha ary kosa anefa ireny dia, mety hampinan’ny tsy fihinana. Koloina…! Ilay nokaliana ho tsara rafitra, aingam-po manan-tantara. Tsara tefy sy maharitra, voatram-panahy voahary tsara. Tahiry mampatsiaro toky, dina vitam-binavina. Indrisy anefa fa mety ho nofy, toy ny tsy handaozan’olon-tiana. Idealy…! Lafatra hono tsy mampino, nofy angaha no miseho. Aiza misy tonga lafatra, raha mbola tany koa no eo? Ny lanitra aza miovaova, tsy mahatana endri-tokana. Mainka moa izao sy ianao, izay tsy manam-po mangoraka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitsaranny-lanitra
FITSARAN’NY LANITRA…
RRAG
FITSARAN’NY LANITRA… Hoy ‘ty feo manako, izay tsy niseho tava: “Ety ny fitsarana, tsy ilànao mpisolovava, fa manam-pahafahana, hiaro-tena ianao, raha misy teny maro, tsy azoazonao. Andriamatoa filoha, mirosoa ianao! Eo hoe mba tantarao, ireo zava-bitanao, ka mety nampiova, fiainan’olon-kafa, sy nahafahany nitroatra, niady tamin’ny lasa”. Namaly ingahy filoha, toa nikifikifi-doha, niahotra ohatr’izany dia hoe, andrasokely aloha! Izaho izao dia, nahavita zava-marobe, efa tsy tambo isaina, ankoatrany “WC”! Nampiakatra karama, nampihena ny tsy manana, ka efa tsy vitsy izao, ireo lasa diso mpanana. Ingahy minisitro iny, zary toa nahazo fiara. Ny mpamafa-tranonay, novidianako akanjo tsaratsara. Ny sekoly maro, nolokoiko ho zary vao! Raha mahita ny hatsarany, dia ho gaga ianao, hoe io ve ilay taloha, toa lasa raitra be, tsy mampino fa, tena “Qualité”? Fa hoy indray ‘ty feo: “Ary ny tsy efanao, raha azonao atao, eo hoe mba lazao. Maro loatra mantsy, irony zava-bita, ny voka-tsoa nentina, nefa tsy nisy hita”. Tena tsy nisy tompoko, tsy nisy ny tsy efa. Ny mpanohitra ahy koa moa, treromina dia milefa, dia moramora tamiko, namita izay kinasa. Ny “element”-ko koa, tena efa zatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahefatra
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHEFATRA) Nomena…! Anjara tsy nangalarina, fa voka-po nanolotra. Raisin’an-kafaliana, ka arahin’orokoroka. Karazan’irony zavatra, manova zava-maro. Mampitamberimberina eny foana, ny hakanton’ny tsiaro! Tovo…! Ilay tsirim-pahalalana, tsy lefin’ny hakamoana. Indraindray manosika, saina hiady foana, handresy ny habadoana, hanambakan’ny ambony. Ka izay efa hanananao, tovano sy tovony! Mioty…! Fambara moa izany fa, nisy ny nafafy. Toa mba milaza koa hoe, nisy andro nampihafy. Kinanjo ankehitriny, mioty izay najinja. Ka ‘zay novokarinao dia, anjara tsy azo afindra. Kanto…! Toa hoe iray fiaviana, amin’iry meva. Anarana tsotsotra, saingy mety haneva, na koa hanaraby, izay mitondra azy. Ny anarana dia efa, famatotry ny tady. Voahirana…! ‘Lay naman’ny voary, haingokaingon-drano. Ilay mieza-mampitony saina, mamafa ny manganohano. Mandray ny vetsovetson’ny fo izay tena tia. Manambatran’ny nofin’ireo te hiara-dia. Fanja…! Fefin’ny fitiavana, odin’ny alahelo. Famafa ny aty fery, sy ny ràtra mety hihelo. Mihazona tsy hisokatra, ny zaitra efa maina. Manalavitra ny fo, tsy ho resin’ny taraina. Onja…! Ilay tiana ho halavirina, fa sedra mafy indrindra. Saingy toa voatohitra, raha sendra tsara rindra, ny tetika hoentina, handravàna ny setrasetrany. Toy ny dinga-maro izy, ka manana ny fetrany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahadimy
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHADIMY) Lala…! Ianao ‘lay tsy miavona, sy tsy manavakavaka. Mahafantatra ny hona, sy izay ho lavadavaka. Mahay mijinery, ny lavitra tsy takatra. Mahalala izay fotoana, tokony hialàna sasatra. Hanta…! Tambitamby maro, miary angolangola. Asehonao an-tsiky, arahin-doladola. Rotsirotsy kanto, an-tenim-po malefaka. Mandefy ny hakiviana, mampitony saina reraka. Laingo…! Soritra mihazona, ny hakantom-bony miavaka. Isan’irony tanjona, tadiavam-balim-bavaka, manova ny jinery, izay nitondra ràtra. Amboara misitery, saingy, tahirin’irony lasa. Mamy…! Fiainana hirina, hiainana eto an-tany. Ilay tomefy hafaliana, sy ilavitra tomany. Tsirom-piarahana, satry tsy ho foana. Saingy indrisy, fa misy fetra foana. Sanda…! Takalon’ny natao, solon’ny tsy vita. Mety ho talaho, na ranomaso ritra. Mety ho fifaliana, sy tsiky lafovidy. Tolotry ny fiainana, nondesin’ny safidy. Ranto…! Tosi-mampisosa, ny fiainana irina. Fanalaviran-tsento, izay nentim-pahoriana. Lalana mazava, tinaratry ny masoandro. Valim-bavaka izay, iandrasana isan’andro. Dera…! Ilay tsy tadiavinao, fa tonga tsy nantsoina. Ilay hikahika, mampiteny moana. Mampifoha ny maty, mitady voninahitra. Saingy anio tsarovy, fa ireny tsy maharitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/asa
ASA…!
RRAG
ASA…! Sarotra dia sarotra, ny ady entin’ny fiainana. Nefa iza moa no, mba afaka hitarainana? Tsy maintsy ianao no miady, ny ho haninao anio, raha tsy izany dia, handrezatra tadio. Ny asa anefa tsisy, ny an-tanana efa lany. Atao ahoana koa, ‘ty zaza mitomany? Fahanana inona izy, hitrosa tsy hahazo? Aleo aloha mba hiezaka, hitsindroka mangahazo. Fa ery antsaha ery, toa misy tany vao nasaina, tsy misy azo atao, fa ity ‘zao avotr’aina. Ny kibo noana mantsy, manosika fanahy, ka ny iafarany angamba dia, ho eny Antsiafahy! Mitady asa tsy mahita, hangataka mahamenatra, hivarotra tsy misy, entana ho havelatra. Ny mpanana ihany koa, manosika ondry botry. Ny tena loza izao dia, marary koa rafotsy. Toa mikohaka tsy miato, tsy sitran-dravin-kazo, tena hita mihitsy hoe, malazo dia malazo. Saingy tsy maintsy miarina, hanasa lamban’olona. Ny volan’iny izao, tamin’ny herinandro dia voatolona. Efa lany nandoavana, trosam-bary ‘zay tsy ninanana, fa nalain’ny mpanambola, ‘zay tokoa rehefa tsy manana. Solon’akohony tsy hita hono, fa lazainy nangalarina. Ny madinika ohatra anay, toa tsy hanana ny marina. Ny tena koa izao somokotra, mibatabata entan’olona. Ny aina aloha dia kelikely, fa ny saina no vonona, dia mikiry mafy ery, manangonangona ariary zato. Nefa tsy ho an’ny tena izany, fa volan-trosa tato ato! Trosan’olona tsy maintsy, honeranao na dia tsy misy. Ny mpanana ihany koa moa, tsy te hahalala izany mihitsy. Fa ny azy ireny no hainy, mitaky arahin-teny tena marary. Asa lahy raha voaozona izahay, na ‘zao no laha-janahary?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/angamba-voasoratro-raha
ANGAMBA VOASORATRO!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ANGAMBA VOASORATRO! Raha nanoratra aho, impiry voarangotro tamin'izato taratasy ny penina fampiasako? toa ny mombamombanao no matetika voasoratro, angamba atsy ho atsy ianao no anton'asako! raha manoratra aho, indraindray ny lasantsika no matetika vinaniko andefasako anjoria! dia ireo kalo mitalaho amin'ny ranomainty ritra no miboika avy ato anatiko hivetsoina ny fitia Nosoratan'i R-R Mahavonjy Aimé
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/-ny-antsika
… NY ANTSIKA
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Tara-bolana baliaka Ny antsika …Rehefa injay ianao sy ilay angetsanao … Voninkazo iray sariaka Ny antsika …Rehefa koa ka lapanao ny anatiko ao… Rivotra mamono paika Ny antsika … Rehefa injay ny sedra nahalavo anao… Onja iray mahery vaika Ny antsika …Rehefa izaho no resin-tosika nandao… Fa ny ao anatiko ao Lazaiko anao: “dabandranokely tsy ampy sasaka…!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/...raha-poeta-ianao
...RAHA POETA IANAO
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
…RAHA POETA IANAO ( Atolotro ho an’ireo Poeta sakaiza rehetra) Nandalo teo imasoko tanaty onjam-peo Navadiko ny boky dia indro koa naneho Fa Poeta hono ianao Poeta ve ianao Ka izao tontolo izao Sy ny voary manontolo No ho raketinao daholo ? Poeta ve ianao Ka iny volana iny Iny habakabak’iny No andaninao herim-po ? Poeta ve ianao Ka hamorona ny tsisy Hambaboana izato fony ? Sy hitaky koa ny zony ? Poeta ve ianao Ka ny masony efa bongo Nosomparan’ny ankaso No fafanao ranomaso ? Poeta ve ianao Ka vonona hifandramatra Hitondra izay filamatra Hanompo firenena ? Dia mitodi-doha Ho an’ilay Tsitoha Hisim-pahaleovan-tena ? Eny, azo atao, Fa Poeta koa ianao Raha indro ka manolotra Eo am-poto-molotra Ilay teny mankahery Ireo sahy manao vivery Hamonjy ny Mahantra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleo-ny-fasana-no-akany
ALEO NY FASANA NO AKANY…
RRAG
ALEO NY FASANA NO AKANY… Ry Mevakeliko tsy foiko, tsy vitako ny handao. Toa manery ny am-poko, ny hiady ho anao. “Aza mitomany, ry Mahefan’ny fitiavako. Aleo izany ho any, mangina! Mangina re rahavako.” Tsy zakako! Tsy zakako! Ry Mevakelim-pandeferana! Tsy tantiko! Eny toa tsy tantiko, raha toa ny antsika ka hoferana. Ka hoterena ianao handao, ilay akanim-pitiavako. Dia ho asiana raorao, handotoana indray ny tavako, eo imasonao! “Mahefa ah! Aza manahy akory, fa ny am-poko tsy mba levona. Tsy mety resi-tory, fa vao mainka aza mievina, mahatsiaro anao, ‘lay tokan-tsy nandao.” Aleoko fasana no akany, raha toa samy ho fijaliana. Any lavitra tomany, na dia akanim-pahoriana. “Aleo ny fasana no akany, raha toa hampiray antsika, ry Mahefa! Aza mitomany, fa ho iray isika!”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fifanakalozana
FIFANAKALOZANA…
RRAG
FIFANAKALOZANA… Manao ahoana izato voahangy, toa mangina tsy miteny. Sa tsy tianao ‘zaho mamangy, dia avela hiteny irery. “Tsia ry Andry! Tsy izany velively, fa zavatra hafa mihitsy, no mamaky ny saiko. Ka izany, no mahatonga ahy, toa lavi-pijery, satria tsy haiko, fa mety hanala ny aiko. ‘Zay miankina amin’ny tady, tokan’ny fitiavako, kanefa tsy maintsy, ho tonga ho fandàvako”. Tsy misy azoko na tokana, ny tianao ambara. Avereno moramora, dia alamino tsara, fa tsy ho hitako ny fomba, hanampiana anao. Raha toa ka tsisy fantatro, izay ambaranao. “Aleo izany ho any, sao hampanahirana anao. Aleo ny ràtrako ho ahy, sao hampisy raorao. Etsy, inona ny vao? Mba entinao mamangy, fa efa liana aho, efa sasa-miandry”. Ry Meva, namana aho no eto, fa aza hanafenana, ny ràtra entinao. Izaho vao nandre, dia vaky sento, nefa, ny resaka, avadibadikao. “Aza misahirana, ry Andry fa efa ampy, ampy ho fiononako, ny fahitako anao, ka nanamaivamaivana, ny fery tsy tanty. Misaotra, tena misaotra anao!” Tsy maninona ary, nefa re mba saino, fa izaho, mbola vonona ny hihaino, ny hihaino anao, raha misy tiana ambara, fa sahia kosa, sahia mitantara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hamono-tena-aho
HAMONO TENA AHO…
RRAG
HAMONO TENA AHO… Mialà ianao, fa aleoko aho ho faty! Mialà ianao, fa efa diso mafy, ‘ty kapoka azera, tetehana hibahanana, ny fontsikaroa, tsy hahita fiadanana. “Ry Meva, mangina, aoka ny tomany, tiako foana ianao, na dia ho an’ny tany. Nefa, tsy ny fahafatesana, no mety ho vahaolana, fa ny fandeferana, am-po tsy miolakolaka”. Mahefa a! Tsy zakako e! Tsy zakako intsony, na ho ampanginiko aza, ny foko tsy mitony. Fa hitroatra hatrany, hikiry ny hitia, very aho! Satria aho tena tia. “Izaho mitovy anao, nefa ho alaheloko, feriko anaty, ary tsy ho teliko, ny hahita anao handao, ny akany feno setra, na dia ny fitiavantsika, noterena hisy fetra”. Eny! Eny ry tsy foiko, fa noho ianao niangavy, dia hampitoniako, ny hambom-po mitady, hamatotra ny aiko, ho vadin’ny fasana. Tsy handeha aho, raha toa ianao mbola tsy lasana! “Meva, ‘ty rediredinao, manery an’Andriamanitra, manao izay mahatezitra, mahasosotra ny lanitra. Toy ny mihantsy ady, miantso tody mihitsy! Tsy omeko tsiny ianao, nefa kosa indrisy, fa aza dia terena, ny nahary antsika, raha toa ka ny fitiavana, izay antsika, no efa mangatsiaka. Na mety ratsy fototra, ka tsy mba nitsiry, tantara mifarana eto, handeha atao tahiry”.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fon-dreny
FON-DRENY…
RRAG
FON-DRENY… Ry lanitra ao ambony, mafy loatra ity sedran’ ny fo tsy mety tony, ny ady miahy angeza, ny fery toa mitombo, manitatra ny zaitra. Ny omaly no mihombo, ny anio efa tsy laitra, ka mba jereo ihany, na indray mitily aza, leo ny mitomany, fiainam-pingan-dava. Ry lanitra ao ambony, misitery loatra, ny tena ao am-pony, nahatonga ahy hitroatra, niezaka nikaroka, ny alalin’ny fitiavany, tsy haiko ny hisaotra, raha tsy hitako ny maminy. “Manofy angaha ny zanako, toa variana ny mandalina, fa angaha tsy fantatrao hoe, ny andro mbola tsy alina?” Neny, tsy hitako, tena tsy tazako akory, hafiriana ianao no teo, no milaza ahy ho resi-tory? “Efa ho fefafefankadiny, nandinihana anao, nefa ianao toa variana, mandinika ny kintan-tsy misy. Malomalok’endrika, indraindray dia mitalaho, dia injao, manaikinaiki-nify.” Variana aho ry Neny, malahelo ihany koa, nefa tsy afaka ny hiteny, aminao ‘zay ao am-po. “Fa dia nahoana re ry anaka, no dia manafina ahy ianao. Ianao anie no hany zanako, ka amin’iza no hitalaho? Ento, ento fa hihaino anao aho, na mafy amiko aza ny handre, dia ento izay ho teninao.” Tsy hitako, tsy hitako ny ambara, na teny kely aza, fa toa alaheloko, ny fameranao sy Dada, ny foko tsy hitia, olona ‘zay nofinidiny. Tsy hodikaiko sanatria, raha toa ka io ny didiny. “Tsia re anaka ô! Tsy misy idirako na kely, izao mahazo anao izao. Fon-dReny no miteny, lazao, lazao izay marary anao!” Neny, tiako loatra i Mahefa, saingy indrisy fa voarara. Ny foko tany no niantefa, kinanjo anio dia hiafara, ilay tantara vao raketiny, vao soritina mihitsy, Neny ô! Ny safidy ve tsy misy? Toa miangatra amin’ny foko, ny anjara tendrim-bintana. Vara-datsaka amin’ny lohako, ny lahatra manao zara vilana. Fery amiko avokoa, ny androm-piainako rehetra. Mety tsy hisy hahasoa, ka aleo hatreo ny fetra! “Hiezaka aho ry sombin’ny aiko, ny hanampy anao hitolona. Efa ela koa ny saiko, efa ela no efa vonona, ka raha ‘zay Rainao manakantsakana, aleo hiteny foana eo, fa izaho Reninao dia tsy hisakana, na handrara ny anareo. Mety izao angamba kosa a! Ny sori-dahatra holalovana. Ny fitiavana no hamafiso, dia ataovy tsara tovana.” Misaotra re ry Neny, misaotra anao ‘ty fo adala, ‘lay nisasaranao niteny, ‘lay nandanianao ny bala. Balan’ilay fananarana, nanova endrika ny fiainana, dia ‘lay fiainana, narafi-pisainana. “Zanako ianao, na maditra na koa hendry. Ianao no zanako, izay voasori-tendry, ka tsy azoko ariana, ninoninona hiseho. Hamafiso hatrany, ny fitiavam-ponareo!” Neny, Neny, Neny tiako indrindra, volamena raha ianao, tsy miankosotra na kely. Neny, Neny be fitia, ilay tsy mba nifindra, tiako ianao, tena tiako, hamafisiko amin’ny teny. Ny fonao anie ry Neny, dia ‘lay fo tsy mba vato, tsy mba efitra mifono, teti-petsy feno ankaso. Fa voary zary voary, tsy hita rafitra na kely, tena fo mahay mikajy, eny, tena fon-dReny. Izay tsy manam-paharoa, tsy ho hananan’i Dada, fa ny azy mantsy, toa latsa feno vazavaza, isan’andro vaky izao, arahin-tabataba lava. Hasosora-mifanesy, sy hatezeran-tsy misava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/zanako-vavy
ZANAKO VAVY…
RRAG
ZANAKO VAVY… Ry zanako vavy, toa variana loatra, izato tokan’ny aiko. Efa elaela ihany, no nahitako anao, ka dia nanaitra ny saiko, hoe: Mbola kintana aiza, no hiravoanao, no dia toa variana, variana toy izao? “Papa! Marary ny saiko, voatsindrona mafy, ny atin’ny aiko, ka ahiako ho faty, noho ny fitiavana, sy ny alo-javona, miserana amintsika.” Anaka, tsy azoko loatra, tsy fantatro mihitsy, ny tianao hiaviana. “Tiako i Mahefa, ‘lay zana-pahavalo, natsanganareo. Ka manery ny foko, manery ny aiko, ny mba hitoreo, ny mba hiangavy, hoe: Aoka izay, aoka ry papa, ny fankahalana, eo aminareo.” Zaza adala, toa mamiravira, ny foto-nipoirany. Tsy mandinika akory, vao miantsampy, amin’ny lalam-pidinana. “Tsia, tsy! Tiako izy na dia, hoterenao, hisarahako aza. Tiako i Mahefa, tena avy ao am-po, fa tsy eboebon’ny vava.” Ry zanako vavy, mihevera ihany, sao lahy ny tody, no hanoto-tany. Sao ny latsa, no hampitomany, ka tsy ho zaka, satria tsy mahazatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/ny-vola
NY VOLA
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Ny vola Ota mpandrafy ny foto-pisaina Mahaefa ny faka any anatin’ny lalina Hery masiaka voatakalo aina Rindrim-baventy takalon’ny marina Sandany tokana ivon’ny ady Manda mpiaro ny fahamboniana Iraka feno mandrava ny fady Mpanapaka tadin’ny fianakaviana Ozatra mafy sy maha rangahy Mpanjaka voalohan’izay hokasaina Poizin’ny fiainana ara-panahy Fonja-pitiavana mampitaraina Salolotra tokana ifampiderana Mandetsy ny sain’ireo tia doladola Fiaina-mandavon’ny fahatanorana Ireo no mba sombiny hoentin’ny VOLA Ny sata ijoroana niova tokoa Izany no atao hoe : « ilay fandrosoana » Vao nisy ny tsara dia very ny soa Ny VOLA no indro natao itompoana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/isaky-ny-misy
ISAKY NY MISY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ISAKY NY MISY isaky ny misy tsiaro kely monja mitsimoka ato an-tsaiko dia ny endrikao mitsiky ny bikanao mafonja no tena tantaraiko inay aho ka manoratra isaky ny reko ireo kalon'ny fahiny, izay niarahantsika nihira toa mamelombelon-tsento sy tonga alahelo mankadiry ny akon-kiran'ny antsiva ka zary mampatahotra isaky ny misy kalo tsara rindra narafitro ho an-dalana matetika toa tsy vitsy ny rima mifandrindra voasingotry ny tanana hanehoana ny ato am-po isaky ny manina ny tiako aho dia manjombon-tankariva iny am-paran-danitra iny miantso, miangavy mitalaho amin'ny feo somary iva ity foko ankehitriny ka mila tsy ho to!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-voalohany
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA VOALOHANY) Aina…! ‘Lay felana nitsiry, noho ny fitiavana, midoroboka ohatr’izany, rakofa-maitso mavana. Maneho fahagagana, tsy takatry ny saina, saingy fiantombohan’ny, akanin’ny taraina. Santatra…! Fiantombohan-dingana, tiana hotratrarina. Fahasahi-manova, sy miezaka manarina, ny lasa izay navalona, saingy mety hitamberina. Fiatrehana ny hoavy, ilavitry ny nenina! Andry…! Ilay faharetam-po, tsy hananàn’ny tsy tia. Ilay fandeferana, tomefy aingam-pitia, mitsiry am-po mangoraka, ny voadonan’ny fitiavana. Teboka hiantombohan’ny, fatoram-pihavanana! Tsiky…! ‘Lay hany tara-kely, milaza zava-maro. Tsy tinerena ho haravoana, fa mifangaroharo. Mety ho fifaliana, tsy tian’ny tena ho aboraka. Na koa hoe fahoriana, tsy ilàna fo mangoraka. Nofy…! Tontolo hafakely, tomefy izay ilaina. Noheverina ho kianja, fampitonian-tsaina, kinanjo zary vesatra, fitamberenan-dasa. Fifamatoram-peratry ny, tontolo samihafa! Toky…! Teny hifanambaran’ny fo roa mifankatia. Tsy voatinery ho marina, na fihatsarambelatsihy. Saingy mihazon-dina, ‘zay lasa velirano, fototry ny vina, niorenan-tokantrano! Sitraka…! Fisaoram-po madio, vokatry ny efa. Vonim-pankasitrahana, natokana hiantefa, amin’izay nahavita, ka tsy nitaky tambiny. Fa tsy ho an’ireo izay, nanome ambinambiny…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vinavina
VINAVINA…
RRAG
VINAVINA… Meva! Ny andro anaovam-boadintsika, dia ho mpandravona ny lasa. Ny andro anaovam-boadintsika, no handrafitra ny kasa, hampiray ‘reo fianakaviana, hitondra ilay firaisankina, hanamafy fihavanana, hampifandray ny tanana. Ilay nolotoin’ny lasa, mbola tsy vita sasa. Fery efa maina, holatry ny aina, hiriko ho foana, anatin’io fotoana, anaovam-boadintsika. Eny, dia io ihany koa, no raki-dingam-po, tsy ho fatin’ny taona. Tahirim-po nisaona, tanaty tolon’ady, farany mafy indrindra. Nefa zary tady, nitàna fitia tsy hifindra. Io ilay fotoana, niandrasam-po, hampiteny moana, mba hitolon-jo. Io ihany koa, no vavahadim-piainana, hamafa ny taloha, handefy ny adim-piainana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-lozantsika
‘TY LOZANTSIKA…
RRAG
‘TY LOZANTSIKA… Tsy azo omena tsiny, ny lahatra sy tendry. Tsy azontsika esoina, ny anjaran’ity tany, fa fahadisoantsika, ‘zay Ray sy Reny, ny nanakana fitia, safidin’ny ankizy. Izao fahafatesana, no vokatra hadalana, noho ‘reo sakantsakana, sy ‘reo fandraràna. Izao vovo-tany, tsy hisy hamikirana, ny fitiavan-tena, no indro nanahirana. ‘Ty lozantsika, toa nanala aina, tsy nisy fandinihana, fa nanao be saina. Niseho nanan-danja, kinanjo tody no azo! Efa toa nahavita, vao mody indray nalazo. ‘Ty lozantsika, fa dia ny sombin’ny aina, ilay mba hany tokana, hany ho hantenaina, no dia nazera an-davaka, lavaky ny fasana. Ka ny olon-tiany, no nolazaina ho zana-baratra! ‘Ty lozantsika, nanota tamin’ny lanitra, naneso ny hasina, hananan’Andriamanitra, noho ny fitiavan-tena, diso nibahan-toerana. Ka ny fitiavan-janaka, no any toa noferana! ‘Ty lozantsika eh! Heloka amin’ny tany, enti-maty mihitsy, ny ràtra sy tomany, ‘zay sisa fanenenana, tsy mety lavon-taona. Tsindrona nilona, tanaty fo nisaona! ‘Ty lozantsika, nandatsa ny madinika, naneso ny fitiavana, sy ny hery izay lanjainy, nanompa Andriamanitra, ka ny didy koa voadika. Namono ny zanaka, nandatsaka ny ainy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsara-rafitra
TSARA RAFITRA…
RRAG
TSARA RAFITRA… Tsia ry Dada! Tsara rafitra ny ahy, ka sarotra harodana. Niady hatramin’ny fanahy, na dia mbola tsisy vokatra. Saingy ity no mba tsarovy, fa efa nitia ihany ianao. Ka aza asianao tody, ‘ty fitiavan-janakao. “Mbola hiziriziry ihany, amin’ny hevi-disonao, izay fototry ny tomany, izao lanjainao izao, izato ianao anaka”. Izay ry Dada a! Izay no ato am-poko. Tsarovy, fa ianareo, tsy mba foiko, fa ny fitiavako mahery, mikaoka ny ao anaty, ‘lay mihibo-misitery, jiro tsy mba mety maty. Dia sarotsarotra amiko, ny hamafa indray misioka, ilay sisan’ambioka, mbola voatahirin’ny alina, na nikapoka nahafanina. ”Manodiava anao, manodiava anao ny teniko, izay tsy omenao hasina, tahaka ny reniko, izay renibenao, nahitako masoandro. Kakero ao ny nenina, kakero isan’andro, babeo koa ny tsiny, lanjao hatrany am-pasana. Lasa ianao mandeha, fa efa rantsan’ny lasana, tiako hohadinoina, tiako hovonoina!” Papa, sahinao ve?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/soa-fa-tsy-anny-fasana
SOA FA TSY AN’NY FASANA…
RRAG
SOA FA TSY AN’NY FASANA… Soa fa tsy an’ny fasana, ry ‘lay tiako indrindra, ny fitiavantsika. Soa fa tsy mba lasana, lasana nifindra, na koa nangatsiaka. Soa fa voatahiry, toa tsara tsiry, na dia tsy nahazo tondraka. Tsy nisy rano atondraka, ilay fitiavantsika, ‘zay ‘zao vao tafita. Naharesy sedra, nahalavo ny ‘ngeza, tanaty tolon’adiny, ‘zay vao nahita maminy, nentin’ny tomaniny, noho ny fato-tadiny. Soa fa tsy an’ny fasana, ilay andro niandrasana, fa tonga anio ihany, tonga hamafa ny tomany, mitoetra eo an’endrika, noho ny onja saika handrendrika.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misiterinny-fitiavana
MISITERIN’NY FITIAVANA…
RRAG
MISITERIN’NY FITIAVANA… Nahoana re ry foko? No toa manery ianao, fa zary tsy hadinoko, ilay nitia anao. Ka any mitambesatra, mihazona ny tenako. Any zary vesatra, nahabe ny entako. Fitiavana niniako, notanako tsy hifoha, tanaty fahanginako, tsy nisy alahelo, no nofohazinao, ka zary niara-droa. Ry foko, aza avela hiady irery! Fa mety ho maro, ny sedra entim-piainana, i Mahefa koa, mety tsy ho azoko hitarainana. Nefa ahoana no hatsapako, raha tsy andramako mihitsy, ka ezahiko sedraina, sao ‘lay Mahefako ho dify.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tolona-tsy-ho-efa
TOLONA TSY HO EFA…
RRAG
TOLONA TSY HO EFA… Ry Mevan’ny fitiavako, tsy ho efako intsony. Tiako loatra ianao, fa toa tsy mety tony, ny fanaintainana, manarona ny feriko. Ka dia ny saiko indray, no manova ny fijeriko. “Mahefa! Handao ahy izany ianao oh?” Tsia, tsy izany velively, ry ilay anjelikely, nitsabo ny ràtram-poko. Ianao tsy hosoloiko! “Fa dia nahoana fotsiny, no kivy izato ianao?” Tsy kivy aho ry aiko, fa reraky ny tolona. Marary koa ny saiko, ka dia aleoko mionona. “Tsy tia ahy izany ianao, raha toa miravi-tanana, Sa ariana rehefa, tsy mba olo-mpanana?” Marary amiko izato, teny latsanao. Manindrona ny foko, manitatra ny feriny. Aoka, aoka re ry aiko, fa aza avela hitalaho. Alao moramora, ny faka zary teriny! “Tsy tiako ny handràtra, tsy vitako ny haneso, nefa toa mitroatra, ka zary toa mivetso, misento mitomany, mandray ny teninao. Veloma! Veloma ianao, mandehana raha handao!”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vavaka
VAVAKA…
RRAG
VAVAKA… Ry Andriamanitry ny avo, any ilay Mahefako, arovy tsy ho lavo, fa aleo ho ahy izay tsy efako. Hozakaiko ihany, na dia ho ranomaso, lahatry ny tendriko, fa tena tsy ankaso. Ka raha ny hadisoako, aoka tsy hozakainy! Raha ny tsy finoako, aoka tsy holanjainy! Fa efa mafy loatra, aminy ny fiainana, ka hany sisa, ianao no hitarainana. Aoka re ny fony, tsy ho jamba ity malemy, mety ho vesa-piainana, lanjainy an-tery. Noho ny fijery, manaitra azy fotsiny, fa tsy tena fiainana, irin’ny nofinofiny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/zaza-adala
ZAZA ADALA…
RRAG
ZAZA ADALA… Zaza adala, tsy laitra tenenina! Zaza maditra, toa mody be marenina! Mpanosihosy, ny hasin’ny tenany, efa nampianjera, no mbola hiverenany! “Rainy, aza omena tsiny ny fitiavan’ny ankizy! Aza tinerena, fa aleo hisafidy! Fantany eny foana, izay tena tiany. Aleo mba ho tanterahany, izay faniriany!” Ramatoa Ravao, oviana moa izato ianao, no miana-kendry, maneso ny teniko? Fa angaha moa, fa angaha tsy fantatrao, fa izaho no lohany, ka masi-mandidy, eto amin’ny taniko, sy ny akaniko, tsy hisy na iza, no hanan-tsafidy. “Rainy ah! Sao mafy loatra, izato teninao, ka tsy hisy hahazaka, na izaho vadinao? Toa tsapako hoe mandatsa, ny fitiavana natolotro, hangina koa aho, akomboko ny molotro!” Izay! Izay no fahendrena ry fanaka malemy. Akombony ny molotra, dia aza miteniteny, fa sao hanenenana, ny vava izay havoaka. Diniho tsara aloha, ny teny izay haloaka! “Hangina e! Hangina tokoa fa fanaka malemy. Hangina raha toa, ianao ka tsy hijery, na hihaino ahy hilaza. Aleo hifankatia, hifankatia ny zaza!” Sanatria raha mbola velona aho, izay no ambarako anao. Fa hosakanako hatrany, na ho sarotra aza izany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-faharoa
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAROA) Tsiry…! Fototra mamatotra, ny faka hitàna. Fatoran’aina mihazona, ny mba ho tamana. Mamoa-binavina, hahafahana mita. Tombantombam-piainana, manosika ho tafita. Ando…! Ainga tsy misaraka, amin’ireo vanin’andro. Fiantombohan’ny dingana, famaritra isan’andro. Mamelombelon’aina, mikolokolo ‘reo voary. Ampinga iray ‘zay voatra, notinefen-Janahary. Vero…! Ilay fandeferana, ivom-pahatsorana. Tady mihazona, ny ao an-tokonana. Tosika ifotoran’ny, tena fampandrosoana. Tsy hoe fahalemena, na koa hakamoana. Mirana…! Jinery namaritana fanantenana. Iombonan’ny fo, sy ny saina mitroatra. Endrika meva, mitondra hafanana. Olona sariaka, sady mba te hivoatra. Vola…! Harena takalon’ny harena rehetra, saingy tsy hahavidy ny aina mihitsy. Io no fananana tena manam-petra, tsy mipetraka ela, fa toa mora manify. Miora…! Antsa misioka, anatin’ny saina. Fanantenana tsy mety ho voafetra. Famafa alahelo sy izay rehetra taraina, mandràtra ny aty, sy minia misetra. Finoana…! Ilay angaredon’ny fahagagana. Mihazona fo, tsy hitroatra amin’ny saina. Manavaka ny hendry, amin’olona adala. Ilay tena mahatsapa, fa sarobidy ny aina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafatro
HAFATRO…
RRAG
HAFATRO… Nalefako niampita, nihazo lalan-kafa, ‘zay tsy hitam-pahavalo, ilay hafatrahafatro iny. Kinanjo tsy tafita, noho ‘lay izy feno ràtra, vokatry ny hadalana, niainako fahiny. Dia toa zary tsy hita, tsy tonga hatrany akory, fa variana niampita, ‘lay lalana honahona. Angamba ihany koa, mbola resiresi-tory, ka tsy nisy mba nanampy, fa niankim-pahazotoana. Saingy indrisy, fa ilay hakamoana, no nandrendrika ny toky, tsy ho zary fanompoana. Hifonana aminao, ny zavatra tsy efa, foiny foko ilay nandao, sady toa nilefa. Ny adidy tsy tanterako, hany entam-besatro, rojo-pamatorana, ny lasanao sy ny ahy. Raha mbola tananao, any ilay peratro, dia hoavy foana aho, fa aza mba manahy. Ry fireneko, tsy hadinoko ireny, tosi-tananao, mbola tsy hadinoko, eny hatramin’izao. Fa tsy tafita akory, ‘lay hafa-nampitaiko, ka angamba efa foana, tsy fantatro, tsy haiko, raha toa tsy teo ianao, nitondra azy iny, dia tsy nisy intsony, ny akon’ny fahiny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/zara-fitia
ZARA-FITIA…
RRAG
ZARA-FITIA… Ry anjely iray mitaratra, ny lalana tsy tazako, ho fahadisoako ve, ny hanontany anao? Iza no anarana, ‘lay tokana mandravaka, izato hakantom-bika, manavaka anao? “Ry tovolahy mijojo, mora taitra maso! Tsy diso aho angamba, raha tsy hamaly anao. Ianao tsy lala akory, raha irony mpiankaso, dia mody manontany, hoe iza moa izaho?” Sanatriaviko ry raozy, hasin-jaridaina. Sanatriaviko ny hanosy, ny hasin-danjanao! Fa ny foko izay marary, no reko mitaraina, nanosika ahy mafy, ny hamantatra anao. “Raozy! Anjely! Toa sarin-teny loatra, tsy mendrika akory, hitafiako ny henatro. Ny teny ambaranao, toa efa tsara voatra, sao lahy ho fitaka, hanamaizinina ny efitro.” Sanatria ry voromanga, firavaky ny lanitra, sanatriaviko ny hanakona, izay masoandronao! Fa ny foko, no reko efa jamba, ka aza avelanao, avela ny hitalaho. “Tsia! Tsy izany velively, fa tiako lala fotsiny, sao ny fijery, no hoe nanaitra anao! Reko anefa izao, fa toa efa hatrany am-potony! Lalim-paka mihitsy hoe, ity fitiavanao?” Azafady kely, izaho no Mahefa, ‘lay tovolahy mahantra, zana-borondolo. Sahy miatrika ady, ary tsy milefa, ny sedra entin-tany, minia ny miantefa, mamingana ny osa, toa ahy izao. Ka mitraka hatrany, na ino-raorao? Hiniany hazera, handrava ny finoako. Dia vonona aho ny hiady, vonona ny foko, ny handray anao, raha toa ka sitrakao, satria, ianao ilay tsy foiko! “Aza dia manetri-tena loatra, ry zana-dRailovy, fa fantatro ny lanja, izay hanananao. Eny! Ataovy an-tsaina, ary koa tsarovy, fa raha ny nita sedra, toa efa vitanao. I Meva no anarako, ilay tokam-po, matahotra ankaso, sy lonilony koa. Ka menatra ny hamaly, izay nambaranao, toa zazazaza ihany, mbola be lalao.” Ry Meva, babonao ny foko! Resy aho, tena resinao, ka any ny toloko, sy ny ady izay natao, dia amboaranao. Tokin’ny fitiavako, atolotro ho anao! “Toa volamena amiko, ry Mahefa keliko, ‘ty fanomezanao, ka mamiko sy teliko. Etsy, oroka kely, tsy miendri-panajana, fa voka-po mitia, mitondra hafanana, no atolotro, atolotro ho anao! Ka indro koa ny foko, indro hanjakao.”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ranomasom-bady-fo-maratran-janaka
RANOMASOM-BADY, FO MARATRAN-JANAKA…
RRAG
RANOMASOM-BADY, FO MARATRAN-JANAKA… Iny ady iny, no nitondra ranomaso. Iny ady iny, no hany lasa toa ankaso. Nandrava hafaliana, namoizan’olon-tiana, sady toa nanosy dina, no nanimba vinavina. Iny ady iny, no nanery ilay fandaozana. Iny ady iny, no zary foto-pihavaozana. Saingy ranomasom-bady, fo maràtran’anaka, no zary lasa fato-tady, fery efa nanaranaka. Iny ady iny, ilay tsy nifarana hatreto. Iny ady iny, no nitondra fo nisento, voatahiry anaty, fo maràtran-janaka. Iny ady iny, no ranomason’ny taranaka. Lavon’iny mantsy ny aina, dia nalavony ny tena. Nisy mihitsy kely saina, sahy namadi-pirenena. Noho iny ady iny, dia famato-miankim-pasana, hantsana mandringana, nandevonana ny lasana. Iny ady iny, no foto-draorao. Iny ady iny, no niaingàn’ilay talaho, ka ho iny ady iny, no handringana ny maro. Iny ady iny, no hanery fo tsy hikalo, tsy hikalo ho an’ny firenena!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/novetavetaiko
NOVETAVETAIKO…
RRAG
NOVETAVETAIKO… Novetavetaiko tsy nomeko lanjany, ny hasinao, ry fireneko. Novetavetaiko hatramin’ny akanjony, dia ilay sainanao, foto-pandreseko. Izay nohitsakitsahiko, tsy nasiako hasina, niaraka tamin’ny sata masina. Ilay nampijoro, nampijoro anao, ka tsy hitako intsony, izay azoko atao, ahafahako mamafa, ity hadalako, mba ho toy ny lasa, rehetra nofafako. Saingy indrisy fa, niahy novetavetaiko, ny hany mba fahafahako, mety nahafahako namafa ireny! Tampeno ny vavako, aza avela hiteny. Fa sao indray hanompa, hisoketa anao! Avelao aho, avelao hitalaho, hofatoran’ny neniko, na dia ho mandramaty. Sakano ny tanako, tano ny peniko, tsy hanoratra akory, izay fery tsy tanty. Sao mbola hovetavetaiko, anatin’ny amboarako, ny anaranao, ry ilay Gasikarako!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fantatro-ianao-fa-tsy-vonona
FANTATRO IANAO FA TSY VONONA…
RRAG
FANTATRO IANAO FA TSY VONONA… Modiako tsy re, izay antsoantsonao! Modiako tsy valina, izay napetrakao! Satria, fantatro ianao, fa mbola tsy vonona. Eny, fantatro ianao, fa tsy hanaiky ny hitolona, ny fahaleovan-tena, fihinin’ny hafa. Ny hevitro aza, nolazainao ho kasa, izay tsy ho tanteraka, na hanàla ny aiko, saingy ity no tsarovy, fa vonona ny saiko, fa tsy toy ny anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indre
INDRE…
RRAG
INDRE… Indre, tazako toa mitomany, dia mandatsaka ny ranomaso. ‘Ty fireneko toa manganohano…, hontsa dia hontsa amin’ny taniny! Sa izaho kosa, no hoe nanadino, ka tsy nahatsiaro, izay fisiana? Izy eny anivon’ny tsilo, no mamerina fitadidiana. Indre! Indro vetso iray mangina, arahako hafa-miampita. No misavovona ambony habakabaka…, fa mbola tsy mety tafita. Anivon’ny habakabaky ny aty nofy, ka tsy mahafoy misaraka. Ho an’ilay fireneko marofy, ‘ndeha isika hiara-dalana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/firenena-madagasikara
FIRENENA… MADAGASIKARA…
RRAG
FIRENENA… MADAGASIKARA… Faka iray mamatotra ahy, tsy ananako atambo, ilay rojo nampanahy, nefa fototry ny hambo. Raisiko ho fandresena, na dia vesatry ny ràtra, entim-poko ilay nianjera, teo an-dala-nahazatra, nilalaovako fahiny, eny! Nilalaovanay, eto aho ankehitriny, vao nahatsapa fa mamay, ny ziriziry nentim-poko, sy ny fitiavan-tena nentiko. Aiza anefa e? No handefasako ny sentoko! Raha tsy ho anao, ho anao ihany, ry fireneko, hany mamiko! Ho anao irery, ho anao hatrany, eny, hatramin’ny tomaniko! Hatramin’ny ràtram-poko, ilay tsy nozaraiko, ka nitondra ilay toloko, ilay namatotra ny aiko. Mitanisa ireny aho, toy ny mitsiahy ny fery! Ankehitriny ireny, toa mitamberina ho tsianjery, dia mandoto ny herin-tsaiko, ilay nanam-pahasahiana. Ankehitriny, toa zary resim-panahiana, godraky ny adin-tsaina, ilay fatotra manery. Aronjin’ny herin’ny taraina, ka tsy sahy ny mijery! Sao lavo indray, raha vao mamindra anaty haizina, irery tsy mahazaka, ny tena hamafin’ny famaizana. Kanefa mbola manantena, fa ho tanteraka ny vina, anio izany, no ‘ndeha hataoko ho dina, raketiko am-po mitroatra, ilay maniry fahafahana. Anio aho vao tena mino, fa mbola hisy ilay fiadanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/..-kabary
……..
RRAG
…….. (Kabary) Tompokolahy sy tompokovavy! Indreto arahaba feno ny sitraka, feno firariana mba tsy hisy hanavy, mety havesatra ihany na dia tena fisaka. Indreto fisaorana arahana haja, ombà-piadanana eh! Sy vady sahaza, ombao hafaliana, fitsikitsikiana, mba hanamafy, ny firaisankina. Ny tsiny alao, fa vesatra loatra! Ny fondro hitsaho, fa tody nitroatra! Aleo tsy zogain’izay manan’aina, fa vesatra loatra, mety hitondra taraina. Ny fady no hatsipy, ho fangatahan-dalana, hiteny hanoloan’ireto vahiny, sao mantsy ny teny, no mety hamalana, ka mety handrava, ny vita fahiny. Ny satroka alàna, mba ho voninahitra, enti-manafy, ny zokin’ny aina. Ny maso atopy, satria tena raitra, izato fihaonana hatramin’ny maraina. Tompokolahy, hangina aho tsy hiteny, raha toa mbola misy vahiny taraiky. Tsy maintsy iandrasako, ny fiavian’ireny, raha toa isika rehetra ka samy manaiky, fa izay mahandry no mahari-tsoa, mahazo ‘lay tena safidin’ny fo. Koa veloma jiaby, ianareo manoloana, mampamangy ihany, fa mbola hihaona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-ani
HO AN’I…
RRAG
HO AN’I… Ho an’i… Nandeha nikopak’elatra, ilay fody mpivahiny. Vao nanomboka nivelatra, dia nianjeràn’ny tsiny. Noho ‘reo ratsy maro vita, tsy efa hotanisaina. ‘Zay mbola re mamatotra, mamefy ny ao an-tsaina, mahatonga disadisa. Asa ianao raha mba mahatsiahy, hatramin’izay nandaozanao. Namela ahy hiahiahy, hitebiteby hatramin’izao. Fa ny fireneko ihany, no hany namako nandefy. Namafa ny tomany, dia nandrava ilay fefy, izay nofaritanao. Toa tsy mampino ahy, tsy azoko heverina! Toa tena mampanahy, f’ianao koa aza, toa mody be marenina. Ho an’i… Ho an’izay mahatsapa, fa manam-pahadisoana. Ho an’izay voaràtra, raha noho ny finoana. Ataovy sarisary fotsiny, ireo nambarako fahiny. Fa ny tena izy, dia, ny fihavanana tsimbino.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/leo-ny-mangina
LEO NY MANGINA…
RRAG
LEO NY MANGINA… Leo ny mangina ny foko maràtra, leo ny mangina na dia efa mahazatra! Leo ny mangina tsy mba miteny, leo ny mangina leo miady irery! Ka na ho enjehina, na hofonjaina, ny foko hiteny, na tsy hokaramaina. Fa leo ny mangina, mitazana fotsiny, leo ny mitanty, izay ho fihontsony, raha toa mahita, ity fireneko, ravan’ny hafa, dia velon-tsento. Leo ny mangina ny fo manantena, leo ny mangina ny iray firenena. Leo ny mihaino vava tsy ambina, leo ny mamaritra, mamaritra tanjona, raha toa ka mbola, ho nofy ihany, dia tsy hangina intsony aho, raha tsy tototra tany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maritiora
MARITIORA…
RRAG
MARITIORA… Maritioranao ireny, ry fireneko tiako indrindra. Ady vitanao no teny, mati-paika tsara rindra. Na namoizanao aina, na namoizanao finoana. Na nisy aza ireo nisaina, fa very foana ny fotoana, dia maritioranao ireny! Satria nahafoy tena ho anao. Mbola hiaro anao ireny, fa tsy any dia handao. Ry fireneko tsy hadino, ny foko mantsy mbola mino, fa hipoaka tsy ho ela, ilay ady tena ‘ngeza. Ka ‘reo maritioranao, no hijoro indray fanindroany. Dia ‘reo maritioranao, no haneho ny finoany. Fa handresy indray ianao, na mbola ho maro koa ny ho lavo. Satria izay no adinao, mba ho tafanika ny avo. Ka maritioranao ireny, na mangina aza anio. Ireny ilay maritioranao, mpitoetra! Mpivahiny! Tsy mitsahatra mijery, izay ho adinao anio. Tsy mitsahatra miteny, noho ny fitiavany anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tera-bazaha
TERA-BAZAHA…
RRAG
TERA-BAZAHA… Tsy iza tsy akory, fa ‘reo tera-bazaha? No sahy namadika, ny tanindrazany! Tsy iza ihany koa? Fa ‘reo niseho ho sahy, no mety nitsoaka, noho ny hamazany! Fa ny zanaka gasy, na dia tsy nanan’aina, enti-nandrava, ny basim-bahiny. Dia ireo nanan-tsaina, tsy nanaiky nozogaina, toy ny fahiny! Tsy iza ireo tera-bazaha, fa ireo nanadino ny fireneny? Tsy iza ireo, f’ilay namadika ny fanekeny? Ilay tsy nahatàna, ny voady nataony, ka namadika foana, ny fomba fanaony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-tapitra
TSY TAPITRA…
RRAG
TSY TAPITRA… Tsy ny vitako fahiny, na ‘lay kely vitako iny, no ahafahako milaza, fa nahavita betsaka aho. Tsy izay anjara nofidiany, na ny vesatry ny tsiny, nentiny hampikombom-bava, ka hangina tsy hitalaho. Fa ny fony sy ny ahy, dia niray tsy nisy fatotra, tsy nisy dina nifanaovana, ary tsy mba ho mety tapitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fary-mangidy
FARY MANGIDY…
RRAG
FARY MANGIDY… Reraka loatra ‘ty saiko ny miady, ka mila fiatoana ho fakàna aina. Saingy ny asa efa toa fato-tady, tsy maintsy vitaina na dia hanafak’aina. Ny deba mibaiko tsy misy fiatoana! Ny ‘ngeza amin’izany manao baiko moana! Manao didi-jadona dia mampiaka-peo, fa ny baiko midina dia hoe tinereo. Toa fary mangidy ny fiainana an-tany, vitsy hafaliana fa rako-tomany. Raha vao mba mitaky ny zony ny tena, dia misy foana ambony mitrena. Manao bebe feo tsy azo iangaviana! Manao tsinontsinona, izay fitakiana! Manampatra ny hery amin’ny kely madinika, ka iza no hazaka? Dia tsy hiala hipitsika. Fary mangidy raha ny fivelomana, misy miteny dia avy dia homana. Fa ianao mitsemboka efa hila ho faty, izay vao mahita ny kely mba hatafy. Fary mangidy miafara any am-pasana, ny zogan’ny lasa ilay namery. Tody tavela lovan’ny lasana, rojon’ny maro efa vita tsianjery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/1947
1947…
RRAG
Ilay alahady alina, feno rà nandriaka, fanavotam-pirenena, zary ady nangatsiaka, namoizan’olomanga, olomangam-pirenena, nandrotehana saranga, nangalarana ny harena. Iny alina iny, no nanokatra ny fery! Iny alina iny, no zary alin-tsianjery, mitoetra am-pon’ny gasy, eny hatramin’izao. Tsy voaraki-taratasy, fa lainga foana no henonao! Tsy “V.V.S”, tsy “MDRM”, na koa “Menalamba”, no nanafaka ny tany, teo an-jogan’ny vahiny. Fa ‘reo gasy sesehena, izay nilatsa-drà, izay hadino, tsy tadidy ankehitriny. Iny taona maizina, tsy nahitàna izay mangirana, todin’ny famaizana, sa tsinin’ny sahirana? Fa diso mafy loatra, ny fidodododony, ka nivantana avy hatrany, ny hamafin’ny fidobony. Iny taona iny, ilay taonam-pahanginana, zary niosin-drà, zary taona nanahirana. Namatotra ny ain’ireo mahery fo, ny ankamaroan’ireo, toa maty avokoa. Ka sarotra ny hamono, an-tsaina iny taona, Fito amby efapolo sy sivinjato sy arivo, ilay taona nampisaona. Ny firenena Malagasy, hahatsiaro ny mpitolony, efa ho aman’hetsiny, fa tsy ho ampahafolony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iarivo
IARIVO…
RRAG
IARIVO… Raha maty aho, aza tohofanao tany, fa rakofy ravin-kazo, eo ambodin’ilay akany, izay toerana falehako, fitazanako an’Iarivo. Aza atao am-bata akory, fa aleo hitanik’andro. Aza misasatra avy ianao, fa efa eo ilay masoandro, hiambina ahy, sy ilay Iarivo. Aza asiana lambamena, na fonosana avy aza, aleo ny vatako, mba hahita izay mazava, mety ho tinazan’Iarivo. Raha maty aho, izany re mba tsiahivo, any tokam-pangatahako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-alim-pahanginana
RY ALIM-PAHANGINANA…
RRAG
RY ALIM-PAHANGINANA… Raha azonao atao, ry alim-pahanginana, dia aleo ny nofiko, toy ny omaly ihany. ‘Lay tontolo tsy fahitako, ‘lay tokam-pahangirana, ilay misy an’i Meva, ka tsisy ny tomany. Raha azonao atao, mitsidiha ahy matetika, mba hitamberimberina, an’efitro ny hetsika. Maneho ilay bikàna, manoritra an’i Meva, ry Andriamanitra ô! Ho anao re ny dera. Fa aza avela akory, ny handao ahy, ‘lay nofin’ny fitiavako, namono ny ahiahy. Ka diso nisolelaka, ny herin’ny haizim-poko, aleo hanjaka ao, ilay tokana tsy foiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/taratasy-ho-anny-taniko
TARATASY HO AN’NY TANIKO…
RRAG
TARATASY HO AN’NY TANIKO… Any ianao ry Madagasikara, sanatria tsy manadino. Fa mitady izay mba tsara, saingy indrisy tsy nampino. Fa ianao no toa tafara, sisasisam-pahatsiarovako. Raha sendra aho ka mahatsiahy, toa tanàna fandalovako, fandefeko ny ahiahy. Any ianao ry Gasikara, mety efa levon’ahitra, vao nahita tsaratsara, dia nahetri-boninahitra. Nofafana tao am-po, ka tsy tsapako mihitsy, raha tsy efa nahavoa, nandràtra ny atim-poko, ny fandaozako anao. Fa toa mamatotra tsy foiko, ilay tanàna misy anao. Any ianao ry Gasikara, tsy maintsy hiverina any aho. Ka mba soava tsara, f’izaho hivavaka ho anao. Ny mba hahitànao ny fomba, hirosoanao mangina. Tsy ho ela dia ho tonga, tsy nofy intsony ny faniriana. Fa miandrasa kely fotsiny, ry tanindrazana tsy foiko. Tohano fotsiny ny fihontsony, fa ianao tsy hosoloiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tompo-
TOMPO Ô!
RRAG
TOMPO Ô! Ry Tompo ô! Eto aho anio, anoloan’ity ady, izay zakain’ny fireneko. Milavo lefona sahady, dia nandà ny fanekeko. Eto ry Tompo, mitanondrika misento, toa manenina amin’ny vita. Minia mamaky ny vetso, saingy indrisy fa efa tsy hita, fa indray naleviko tamin’ny taniko, namoizako ny akaniko. Eto aho, mitanisa ny tsy vita, manofinofy ny any ampita, saingy indrisy fa voafatotra, noho ny foko izay tsy matotra, ka dia mora nanadino. Ankehitriny aho tsy mino, nefa tena zava-bitako, na dia nodiako tsy hitako. Ry tompo ô! Mamelà ity fahadisoako, ampitomboy ny finoako, omeo ahy ny hery vao, iarahako aminao, hanavotra indray, ‘ty fireneko efa ho may, noho ny hadalako.