url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-asiana
AZA ASIANA
NY HERIMAR
AZA ASIANA Aza asiana sento na tomany ny ora iray handaozako ity tany; Aza asiana alahelo na ranomaso mba ho reharehan'ny mpanakaso. Aza asiana fahatsiarovana na segondra iray monja aza, satria ny tany fandalovana ka tsy tokony hahagaga... Eny aza asiana hadihady, Aza asiana famotopotorana; Aza asiana famaly...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ny-lasa
NY LASA
NY HERIMAR
NY LASA Fa maninona ho'aho 'zany havako 'zany no manganohano sy te hitomany? Sa mahatsiaro ny lasa dia ketraketraka Ka ankehitriny no toa vitsy resaka… Aza atodika ny lasa ny fitadidiana fa mitondra alahelo ary koa hakivina; Ny tantaran'ny omaly avelao any fa hiteraka loza sy hampitomany Raha jerenao ange ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/vavony-faharoa-hoy-rabea
VAVONY FAHAROA
NY HERIMAR
VAVONY FAHAROA Hoy Rabearivelo "ny foko fasana faharoa", Saingy io amiko dia vavony ihany koa; Io ilay vavony mahagagagaga ihany, Mpandevona ny tsara sy ny ratsy eto an-tany. Laharana faharoa amin'ilay tena vavony, Tsy mamela fa mamoaka ny takona navony; Izy no andry iankinan'ny fiainan-janak'olona, Manan-kery ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/fanambinny-fo-vonona
FANAMBIN'NY FO VONONA
NY HERIMAR
FANAMBIN'NY FO VONONA Hitady ny very Sao ho hita ihany; Saingy tsy voatery Ho tanteraka izany. Ny ahy faniriana, Ny Avo no mpanapaka ; Ny ra mikoriana, Mbola mety ho tapaka. Hotadiaviko ihany Sao mba hohita; Ny sento sy tomany, Mbola ho vita. Tsy misy izay tsy mafy Fa lemen'ny zoto; Dia mahaiza mihafy F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/iny-zanadolo-iny
INY ZANADOLO INY
NY HERIMAR
INY ZANADOLO INY... Notiaviko mangina hatrizay, Nafeniko azy tsy ho fantany ilay fo mitempo te ho iray Indrisy mantsy fa tsy tsapany. Noezahiko nafindra ilay fitia mba hiantefa amin-dolo hafa Saingy ity foko nanao tsia, Nitahiry izany tsy ho voafafa. Fa iny zana-dolo iny, Maro hala mpizaha Manahy aho ankehit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/miala-tsiny
MIALA TSINY
NY HERIMAR
MIALA TSINY Mino aho fa tsy hadisoako eto an-tany raha mandray ity hevitra tapako ity androany Te satria hanaporofo eto imasonao fa nanindrona ny foko ny fanahinao. Mino aho fa raha ny hafanam-pitia tato anaty tsy akory nanantena ny hamaly faty F'ilay FO tia niandrandra anao fatratra indrisy nohosenao na dia ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/hafatro
HAFATRO
NY HERIMAR
HAFATRO Haiko ny lalanao fa hizotra hankany aminy, Hifanena na tsy ho faingana amin'ilay olon-tiako Koa aza ampahafantarina ho henon'ny akaniny Izao ady trehiko sy izao fijaliako. Raha sendra izy manontany momba ahy, Teny tsotra fotsiny no avalio azy any; Ilay nilaozanao, hono, salama tsy manahy, Miezaka misedr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/poeta
POETA
NY HERIMAR
POETA Ny ankamaroan'ny poeta tsy mba mety matavy Ny anton'izany dia tokana ihany; Satria mifoha alina fa tsy mamosavy, Mikaroka ny miafina any ambadika any. Mpaminanin'ny tany tsy ira-janahary, Mpanambara ny re sy hita miharihary; Mpisolovavan'ireo madinika ianjadiam-pahoriana, Mpitondra fanantenana sy mpizara ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/mba-ho-soa-izay-zaraina
MBA HO SOA* IZAY ZARAINA
AbouNusrayni
Ianao tsy mba bikaina; Na mahia na botaina; Aza atao maha monaina; Fa ny endrikao miraina. Na malama na ngitaina; Tsy izany akory no ampangaina. Ny asa vita no tsaraina; K’izay kanto no manjaina. Ireo mpanala be ditraina; Ts’ilaina akory kotabaina. Ny hiafarany ho mangaina; Satria tsy miasa ka ho maina. Amp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/raha-poeta-ny-mpitondra
RAHA POETA NY MPITONDRA
NY HERIMAR
RAHA POETA NY MPITONDRA... Raha poeta ny mpitondra, nandroso i Gasikara, Fa afaka ho fitaratra ho an'ireo zandry fara; Raha poeta no nitondra, efa ela no tafita, Efa ela i Gasikara no nandify ny any am-pita. Raha poeta no nitondra, niova mamy ny mangidy, Avadiny ho asa ireo nofiny ho tena izy; Ny poeta mantsy mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/volana-aogositra-septambra-2018
VOLANA AOGOSITRA-SEPTAMBRA 2018
NY HERIMAR
VOLANA AOGOSITRA-SEPTAMBRA 2018... Volan-tsomambisamby ho an'ny atifanahiko ireto volana anakiroa izay nifanesisesy; Vola-nampihevaheva ny nofy tsy nahiko, Vola-niavaka, toa tsy nety tapi-betivety. Toy ny akoho notsipiazam-potsimbary tokoa ny tenako ka faly sahirana fa tsy hita izay hatao; Noraisiko ny hevitra h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/pakanay-mafiady
PAKANAY MAFIADY
NY HERIMAR
NY PAKANAY MAFIADY Paka ny andro, totorebika ny ao an-tanàna Fa velona indray ilay mpanao fahagagana; Ny aleloia manako erÿ eran'ny vazantany, Dia lasa ny eritreritro, nanidina any ho any. Ireto olona maro mitafy akanjo tena tsara, Somary maika famindra fandrao mantsy ho tara; Andro miavaka tokoa ,hono, izany pa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/rehefa-maty-aho
REHEFA MATY AHO
NY HERIMAR
REHEFA MATY AHO Sahiran-tsaina ihany izaho raha nibanjina an-dRafahafatesana; Nihodivitra sy velon-talaho nandinika ity lalana izay hankanesana. Fa rehefa maty aho: Ho tsiaro ireo zava-bita; Ary ny marina tsy tsaho, Ny hafaliana mety ho hita. Ny hendry handeha hitomany raha mahatsiaro irony fisiako; Fa ny ad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/izahay-mahantra
IZAHAY MAHANTRA
NY HERIMAR
IZAHAY MAHANTRA Fantatro efa ela f'izahay olo-mahantra, Tsy be fitarainana satria efa zatra; Ny fijalian-mangirifiry no mba sakaizanay, Raha resaka fiadanana tsisy fantatray. Izahay olo-maro longo manao dia maro Saingy olon'ny masoandro fa tsy mba tataro; Tsy anananay hatrizay raha ny hasomparana Fa zaranay ind...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/vehivavinny-alina
VEHIVAVIN'NY ALINA
NY HERIMAR
VEHIVAVIN'NY ALINA Miandry izay ora hamaty masoandro ireto vehivavy mpatory atoandro. Ny azy tokoa tena hafa tanteraka fa manjono ireny kanosa somary miveraka. Izy miavaka lavitra amin'ny mpamosavy ka hoe hamely mafy fa tsy miangavy, Fa ireny bandy ireny langoiny tsara Anetsehany ny vatany, tonga dia tara. Na ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/aza-manahy
AZA MANAHY
NY HERIMAR
AZA MANAHY... Aza manahy akia ianao ilay nandrandraiko fa hoesoriko aminao raha ny fo sy ny saiko, Ilay fo izay nankatia ho anao doria. Aza manahy akia ianao razana-dandy fa ny finoako ato manantena ny malandy na niarianao indrisy aza, hahita 'zay ho sahaza. Aza manahy fa ny fahasambarana nomaniko, Hotazomiko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ho-anao-ry-neny-malala
HO ANAO RY NENY MALALA
NY HERIMAR
HO ANAO RY NENY MALALA, Any ianao ry Neny ilay malalako tsy foiko, Ilay tokako eto an-tany, ilay tsy afaka soloiko; Mamiko re ianao ka tsy azoko atakalo Mbola vonona aho hitia, tsy hieritreritra himalo. Ianao ilay nikolo sy nitondra folo volana, Mpankahery ihany koa fony aho nanan'olana; Nibaby hatraiza hatraiza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ho-porofoiko-aloha
HO POROFOIKO ALOHA
NY HERIMAR
HOPOROFOIKO ALOHA Nandresy lahatra ahy ity mpitoriteny iray mba handaozako ny finoako ka hifindra any aminy; Dia nahodiny ny saiko, novereziny indray ka ny tenin'Andriamanitra ihany no nindraminy. Lazainy ny finoako fa fakofakon'ota, Lalana makany e amin'ny fahaverezana; Dia ny fanaratsiana nataony nisosasosa, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ampitapitao-any-aminy
AMPITAPITAO ANY AMINY
NY HERIMAR
AMPITAMPITAO ANY AMINY.... Raha sendra ianao mihaona amin'ilay tiako any Ireto volanko ireto mba ataovy tonga any aminy: Tsy izao intsony, hono, ilay ora hahabetsaka tomany Fa efa ela ihany izay fotoana nilany vaniny. Teneno izy hoe:"efa voadio, hono, ilay foko Izay nohosehosenao ka voalotonao fitaka; Amin'izao,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/ry-gasikarako
RY GASIKARAKO
NY HERIMAR
RY GASIKARAKO Tena tsy hitony ny saiko ary hiloatra foana ny ato anatiko raha tsy dify izao mahazo anao... Fa ny mampisandrahaka ny ahiahiko dia noho ianao ihany ry taniko. Na osa ny sandry sy vatako, Hiady ho anao foana ny saiko; Raha ilaina ny nofo aman-drako, Eny hafoiko mbamin'ny aiko. Satria izaho no mit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-ela
EFA ELA
Fredy Jaofera
EFA ELA Efa ela no nizorana ny lalam-pahatsorana fa tsy mba nety taminy na zavatra tsy maminy. Efa ela no nivoizana ny lakam-pikirizana fa tsy ny tao an-tsainy 'zay tody ka tsy ilainy ! Efa ela no naniriana an'ireo tokim-pitahiana fa tsy hita ho eritreriny sao hihombo ny feriny. Efa ela no nezahina ny tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/fampaherezana
FAMPAHEREZANA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Raha mitomany ianao dia vakio ny soratro Aza atao ho mpandatsa fa ataovy mpampahery Raha mitomany ianao dia aza malahelo fa... Mbola tiako ianao ka tsy havelako irery Havotako hatrany, tadiaviko raha very Ka mijoroa ianao, fafao ny ranomaso Aza arahin-tsento fa ataovy ho fifaliana dia... Tehirizo f'aza ariana I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/indrindra
INDRINDRA
Fredy Jaofera
INDRINDRA Ny ranomasina lalina indrindra misy farany ; manan-kasina sy tsy voafindra ito tarany ! Ny tendrembohitra avo indrindra misy tendrony, na aiza ny vohitra tiana hirindra ka fendrony !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/fifonana
FIFONANA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Malala a! Malahelo aho, manjombona ny tavako Tsy noho ianao anefa fa... noho reo teny zay voalazako Tsy voahevitro mihitsy ny mety ho voka-dratsy amin'ny fitiavako Mitsikia anefa fa... hobedesiko ny vavako Tsy hanao teny zay mandratra ho anao malalako Satria Tsy tiako hifarana eo ny fiananao mba ho tantarako, ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/oram-baratra
ORAM-BARATRA
Fredy Jaofera
ORAM-BARATRA Oram-baratra no mipoapoaka mianavaratra ka tsy mivoaka. Oram-baratra mamoha alahelo tsy mitaratra anao na ny avelo. Oram-baratra mivatsy tomany ka miharatra fa toa te ho any. Oram-baratra mirotsaka mafy hita miraratra ny lazan'an-dafy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-sahaza
TSY SAHAZA
Fredy Jaofera
TSY SAHAZA Tsy sahaza anao fa tsy mitovy lenta ianareo roa izao 'ty lasa ho talenta. Tsy sahaza anao ny kanto, na finarita fa tsy tia lalao no zavatra tsikaritra. Tsy sahaza anao ny ainga vita soratra fa dia tao ho ao tsy olona mba ohatra. Tsy sahaza anao ny valim-pisasarana fa tsy mba natao hahazo fits...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/leo
Leo
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Kivy ny fanahiko, reraka ny foko Nanjoy anao hatrany sy niezaka nitia Ankehitriny kosa hofafako sy ho soloiko Ny momba anao rehetra aty amiko satria: Tsy noheverinao akory ny anton'ny fisiako Fa ankehitriny kosa dia efa voasafidy fa... Efa sitrana ny feriko Ny tsaranao tsy mamiko ary ny maminao tsy teliko Asa, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tiako-kokoa
TIAKO KOKOA
Fredy Jaofera
TIAKO KOKOA Tiako kokoa ny morom-parihy rehefa ory sy voa ary toa tsisy dihy. Tiako kokoa ny hijery tatamo rehefa miandoha 'tony hamohamo. Tiako kokoa ny tsikiny foana hampiova tokoa, na tsy tafahaona. Tiako kokoa ny ho eo anilany rehefa kotsa koa ny maso fa silany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/kristianina-fitaratra
KRISTIANINA FITARATRA
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Kristianina mitia Tsy mampiady fa mampiavana Tsy miatsara ivelatsihy Fa izany no fitiavana Kristianina mitia Sahy mijoro ho sakaiza Tsy handatsa sanatria Fa manampy n'aiza n'aiza Kristianina mitia Tsy mitsahatra manampy An'ireo zay very dia Ary koa zay mila vonjy Kristianina mitia Tsy mampalahelo ny sakaiz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vata-fahitalavitro
VATA FAHITALAVITRO…
RRAG
VATA FAHITALAVITRO… Jineriko ianao, toa mainty sy fotsy, fa ny sarinao, no mandrotsirotsy. Tinazako andro, eny hatramin’ny alina, izay entinao, toa tontolo mahafanina! Vinitra ery izato masoko hijery, indraindray aho, miteniteny irery. Izy no namako, mba hiresahako, isan’ireo, mba nanoro ny lalako!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/resaky-ny-mpivady
RESAKY NY MPIVADY…
RRAG
RESAKY NY MPIVADY… Tsaroako malala a! Foiny isika roa, vao niarakaraka, dia azoko daholo izao sy izao! Fa vao nivady isika ka tena hoe tafaraka, ny fitsingerenan-taonako aza, hadinodinonao! “Izao anie ry tiako e! Izao no tadidio, hoe tsy mitovy intsony ny omaly sy ny anio. Ny isan-jaza koa moa, ‘ty efa mitaky, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/zagnahary-tsy-mitahy-mand
Zagnahary Tsy Mitahy Mand
Avoss jah
Zagnahary Tsy Mitahy Mandry Mila Mampiasa Coco Fa Tsisy Idirany e Sandry Tsy Maintsy Mijaly Vao Mahita Gne Mamy Raha Te Ho Tafita Ambon'ny Tany Aza Mialony Ny Vitan'ny Hafa Fa Mila Miketrika Mafy Raha Te Ho Tafa Aza Kivikivy Amin'ny Zavatra Atao Fa Manaova Izay Tratran'ny Herinao Gne Vitany Gne Say Tsy Vitany e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/sovenira-farany
SOVENIRA FARANY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Taratasy iray efa vasobasoka Mitahiry lasa maro, mafy sy mangidy Valopy maintimainty, miendri-bolo-pasika Mangidy toa tangena, nosokajiako ho sarobidy Taratasy lava, toa soratananao Lay peratra nomeko, toa naverinao Tsy navelanao valiana nefa tsy fantatrao Lay sariko aza ariana fa mbola tiako ianao Raha mba fan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/malalako-fahiny
MALALAKO FAHINY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Tsy voatanako mihitsy ny alaheloko fahiny nefa... Nosolaiko fifaliana izany ankehitriny Mba tsy ho tsaroako intsony ireny lasa ireny Nangidy loatra tamiko ary tsy tiako hotadidiana raha iny ianao niteny Fa Olokafa indray no miaraka aminao, nasolonao ny toerako Tena tiako ianao ka navelako nandeha fa tsy mba nofer...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-apondra
NY APONDRA
Fredy Jaofera
NY APONDRA Ny apondra dia sarobidy any an-tendrombohitra ; diamondra fa mpandidy, na misy be mpanohitra !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rahamitroatra
RAHA…MITROATRA…!
RRAG
RAHA…MITROATRA…! Raha mbola mangina ny fo tsy mitroatra, dia aleo handry ihany fa aza terena. Fa hisy alahelo hahatonga azy hipoaka, ka hamoha azy handrava izay nifanekena. Raha mbola milamina ny aty fanahy, dia aza terena hitsiry fankahalana. Fa misy fetrany ihany ny fandatsahan-drà, avy eo indray dia holazain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-izaho-no-izy
TSY IZAHO NO IZY
Fredy Jaofera
TSY IZAHO NO IZY Tsy izaho no izy ka aleoko miala, tsy ny ambozizy no ilain'ito vala. Tsy izaho no izy ka aleoko miova fa mafy izaitsizy ny tsy fandova. Tsy izaho no izy ka aleoko mioty nofinofin'ankzy fa dia kamboty. Tsy izaho no izy ka aleoko mody ; mahery ny krizy ka aza manody.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-fahafatesako
NY FAHAFATESAKO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Raha lalaam-pahafatesana no indro efa hitako Lalampahafatesana tsy didiko fa didiny Tsmaintsy ekoko zany ny hamarana ny ditrako Dia ny hisaraka aminao hofaranako tsy fidiny Raha lasana aho ka hody indray andro-any Raha lasana ka maty hiala eto an-tany Ianao no malahelo tsy maintsy misy izany Mahereza anefa ka az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/antsonny-kamboty
ANTSON’NY KAMBOTY…
RRAG
ANTSON’NY KAMBOTY… Eo an-joron-trano, mitomany mahatsiaro, ‘lay teo anilanao, Reniny tsy foiny. Tsaroany irony, fitia mifangaro, tamby sy orokoroka, niraikitra tam-pony. Eny ny azy ny antsony, no ampitaina hita any, ho ren’ny tontolo, ho ren’ny vazan-tany, fa izy aty mahatsiaro, ka velon-tsento sy tomany. Eny n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tsisy-intsony
TSISY INTSONY
Fidy Art Niaina
Tena nisy akia lehilahy tokampo Tsy naditra fa nanaja anao tokoa Saingy, indrisy, tsisy intsony izany izao Vokatry ny hadalana nataonao Tena nisy teto tia ka dia nihafy Na dia maro mpaniry aza, tsy mba nampirafy Ankehitriny tsisy intsony izany Mahatantesa fa vokatry ny hadalanao ihany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/veloma-farany
VELOMA FARANY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Rehefa maty aho ka tsy afaka miteny Aza ariana fa tehirizo ny sisa diatongotro Saino andavanandro ireny teny ireny Tohizo f'aza ajanona ny zavatra natomboko Rehefa lasana aho ka mandeha mamakivaky Intsony tsy eto an-tany, amin'ny habakabaka iny Iny asa soratro iny, ataovy ho vinaky Ataovy fahatsiarovana ho tsiar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-afaka-mahatsiaro
RAHA AFAKA MAHATSIARO…
RRAG
RAHA AFAKA MAHATSIARO… Raha afaka mahatsiaro, ka hifoha avy any am-pasana, na afaka mamihina, ny olona efa lasana. Dia hisy indray masoandro, hanampy ny efa misy, ka ny alahelo rehetra dia, ho foana sy ho dify. Raha afaka mamafa, ny ranomaso an-tava, na koa hanafoana, ny tebiteby lava, ny havana efa lavo, dia hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahenina
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHENINA) Faniry…! Miantsampy any ho any, ny topimaso tia. Mijery sy mibanjina, maniry hiara-dia. Tsiriritram-po, mievotra tsy tana. Ny tsiky, ny endrikao tomaratra dia, zary mahatamana. Vonjy…! Nofin’ny samy velona, arahana talaho. Atao anaty vavaka hoe: “Zanahary ô! Aiza ianao? Von...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/haza-be
HAZABE…!
RRAG
HAZABE…! Nikaroka ihany taloha, fa toa mbola tsy nety nambinina. Indraindray aza vaky ny loha, ka nikaton-trano nimpirina. Tsy sahy naneho ny endri-tava, menatra tsy nanan-tantanana. Dia nangina fotsiny ny vava, nokianin’ireo nilaza ho namana. Vorombe iray no sendra nandalo, toa sady taviny no volony. Tsara ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/fo-mijaly
FO MIJALY
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ny foko torovana ts'isy ohatr'izany Fa ampitahorina sy ambanankofaizina Tsy fantatra mihitsy ny anton'izany Sa ve ny mazava no havadika maizina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/niova-pejy
NIOVA PEJY…!
RRAG
NIOVA PEJY…! Lalina dia lalina, tsy takatra isainana, ny firedaredan’ny fony tena tia. Ny tontolo androny, zary fitarainana, naniry dia naniry, ny mba ho tafara-dia. Kinanjo setrasetran’ny olo-mpankahala, no ninia namingana, ka nitondra ‘ty tomany, dia ny fony tia no, lazaina adaladala. Indro tsy namelana, eny!...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahafito
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAFITO) Rojo…! Fatoram-by mamatotra, aina amin’ny aina. Isan’ny arofanina, ho an’ny sombin’ny aina. Foto-mampiray, ny hevi-tsy mitovy. Tetika mamaritra, irin’ny tena ho tody. Sahoby…! Kilalao nandrafitra, ny ivom-pihavanana. Misarisarin’endrika, ho fifandraisan-tanana. Miary fifali...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-farany
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FARANY) Hary…! ‘Lay tefy sy volavola, nivadika ho aina. Ilay haizina tsy takatra, zary toa maraina. Tomefy misitery, fahagagana maro. Singa tsara voatra, no ainga mifangaro. Manda…! Vesatry ny lanjan’ny fanantenana. Fahefan’ny fo, hitia am-panajana. Hery ambonin’ny hery, tsy tohitry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eto-sy-ato
ETO SY ATO…!
RRAG
ETO SY ATO…! Miantsampy an-kianjan’ny nofy, ka mamihina anao. Toy ny tsiaro mitampody, ao an’eritreritro ao, no mitamberina eo imasoko, ka manembona ny saiko. Asa! Malahelo anao angamba a? Toa tsy haiko! Toy ny sioka iray miantso, olon-tiana ilavidavitra, no miantoraka misintona, ny tena kanto mahafinaritra, ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ariary-dimy
ARIARY DIMY…
RRAG
ARIARY DIMY… Mangidy ny tsy manana, fa halavirin’olona. Na misy aza an-tanana, toa tsy hahavaha olana. Tsy mba hahazo akory, ny harapaka androany. Ariary folo ve dia, hahavidy na voasary? Mahantra ny tena, tsy noho ny hakamoana. Nikiry mafy ihany, dia niasa teny foana. Fa indray nipimaso, dia rava ny tan-tanana....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-ani-neny
HO AN’I NENY…
RRAG
HO AN’I NENY… Ianao ilay nizaka, fijalian-tsy efan’ny aina. Ianao ry Neny tiako, ilay hany irery, tsy mba nitaraina. Nitondra ahy tan-kibo, sivy volan-tsy ankiato. Nefa izany taminao, tsy nangidy, tsy natsatso. Ianao no kintam-piainako, fanilon’ny hazavan’ny foko. Ianao ‘lay fitarainako, sady anarana fiantsoiko. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/ity-hirako
ITY HIRAKO…
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
ITY HIRAKO… Ity hirako miranty ka misosa moramora Ity hirako milanto, lokoloko iray matsora Ity hirako marevaka, vonindraozy vao notazako Hiraketako mangina ny soanao ry tanindrazako Ity hirako misioka feo mangan-drotsirotsy Ity hirako baliako tsy sandaina volafotsy Raha tojo anao ny sento na mamangy ny toloko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tsiambararoako
NY TSIAMBARAROAKO
Fredy Jaofera
NY TSIAMBARAROAKO Ny tsiambararoako ao anatin'ny foko dia saro-tarafina fa zava-miafina, marary mangina tsy hay vakina, tsy hay ambara fa efa anjara, mety ho safidy mbola mangidy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/faohanny-riana
FAOHAN'NY RIANA
Fredy Jaofera
FAOHAN'NY RIANA Faohan'ny riana ny fakon'ny lasa tsy hay nariana na dia nikasa. Faohan'ny riana ny loton'ny tany nahabe fijaliana sy nisy tomany. Faohan'ny riana ny ngidin'ny ora feno habibiana fony tanora. Faohan'ny riana ny ratsin'ny eto ho hamamiana ka mba raketo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahavalo
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAVALO) Sahondra…! Any ivohonao matetika, misy marina miafina. Misy rariny mimpirina, anaty efitra voahasina. Misy feo mitroatra mafy, re mitaky fahafahana. Ny vohi-pahanginanao, no hany tontolom-pahalalahana. Lisy…! Haingokaingon-jaridaina, mandravak’endriky ny saha. Mitondra hanit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahatelo
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHATELO) Anjara…! Ianao ilay mamaritra, ny tsy takatry ny saina. Mitondra taratr’andro, manazava ilay maraina. Ivom-panantenana, voasoritra, foiny mbola tsy ary. Ianao‘lay fanomezana, izay tolo-janahary. Rova…! Akany fitombenan’ny fo resin’ny fitia. Akany alavirin’ny fihatsarambelats...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahasivy
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHASIVY) Tsiory…! Mety misy setrasetra, saingy tohitrao ireny. Mety misy alahelo, saingy ianao minia tsy miteny. Mangina dia mibanjin-danitra, manombantombana ny lasa. Toa tsy sahy misetra anao, irony sedra homban-dràtra. Miadana…! Fahanginana izany, filaminan-tsy manam-petra. Hataho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitsaranny-lanitra
FITSARAN’NY LANITRA…
RRAG
FITSARAN’NY LANITRA… Hoy ‘ty feo manako, izay tsy niseho tava: “Ety ny fitsarana, tsy ilànao mpisolovava, fa manam-pahafahana, hiaro-tena ianao, raha misy teny maro, tsy azoazonao. Andriamatoa filoha, mirosoa ianao! Eo hoe mba tantarao, ireo zava-bitanao, ka mety nampiova, fiainan’olon-kafa, sy nahafahany nitro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahefatra
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHEFATRA) Nomena…! Anjara tsy nangalarina, fa voka-po nanolotra. Raisin’an-kafaliana, ka arahin’orokoroka. Karazan’irony zavatra, manova zava-maro. Mampitamberimberina eny foana, ny hakanton’ny tsiaro! Tovo…! Ilay tsirim-pahalalana, tsy lefin’ny hakamoana. Indraindray manosika, saina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-fahadimy
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHADIMY) Lala…! Ianao ‘lay tsy miavona, sy tsy manavakavaka. Mahafantatra ny hona, sy izay ho lavadavaka. Mahay mijinery, ny lavitra tsy takatra. Mahalala izay fotoana, tokony hialàna sasatra. Hanta…! Tambitamby maro, miary angolangola. Asehonao an-tsiky, arahin-doladola. Rotsirotsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/asa
ASA…!
RRAG
ASA…! Sarotra dia sarotra, ny ady entin’ny fiainana. Nefa iza moa no, mba afaka hitarainana? Tsy maintsy ianao no miady, ny ho haninao anio, raha tsy izany dia, handrezatra tadio. Ny asa anefa tsisy, ny an-tanana efa lany. Atao ahoana koa, ‘ty zaza mitomany? Fahanana inona izy, hitrosa tsy hahazo? Aleo aloha mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/angamba-voasoratro-raha
ANGAMBA VOASORATRO!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ANGAMBA VOASORATRO! Raha nanoratra aho, impiry voarangotro tamin'izato taratasy ny penina fampiasako? toa ny mombamombanao no matetika voasoratro, angamba atsy ho atsy ianao no anton'asako! raha manoratra aho, indraindray ny lasantsika no matetika vinaniko andefasako anjoria! dia ireo kalo mitalaho amin'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/-ny-antsika
… NY ANTSIKA
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Tara-bolana baliaka Ny antsika …Rehefa injay ianao sy ilay angetsanao … Voninkazo iray sariaka Ny antsika …Rehefa koa ka lapanao ny anatiko ao… Rivotra mamono paika Ny antsika … Rehefa injay ny sedra nahalavo anao… Onja iray mahery vaika Ny antsika …Rehefa izaho no resin-tosika nandao… Fa ny ao anatiko ao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/...raha-poeta-ianao
...RAHA POETA IANAO
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
…RAHA POETA IANAO ( Atolotro ho an’ireo Poeta sakaiza rehetra) Nandalo teo imasoko tanaty onjam-peo Navadiko ny boky dia indro koa naneho Fa Poeta hono ianao Poeta ve ianao Ka izao tontolo izao Sy ny voary manontolo No ho raketinao daholo ? Poeta ve ianao Ka iny volana iny Iny habakabak’iny No andaninao her...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleo-ny-fasana-no-akany
ALEO NY FASANA NO AKANY…
RRAG
ALEO NY FASANA NO AKANY… Ry Mevakeliko tsy foiko, tsy vitako ny handao. Toa manery ny am-poko, ny hiady ho anao. “Aza mitomany, ry Mahefan’ny fitiavako. Aleo izany ho any, mangina! Mangina re rahavako.” Tsy zakako! Tsy zakako! Ry Mevakelim-pandeferana! Tsy tantiko! Eny toa tsy tantiko, raha toa ny antsika k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fifanakalozana
FIFANAKALOZANA…
RRAG
FIFANAKALOZANA… Manao ahoana izato voahangy, toa mangina tsy miteny. Sa tsy tianao ‘zaho mamangy, dia avela hiteny irery. “Tsia ry Andry! Tsy izany velively, fa zavatra hafa mihitsy, no mamaky ny saiko. Ka izany, no mahatonga ahy, toa lavi-pijery, satria tsy haiko, fa mety hanala ny aiko. ‘Zay miankina amin’ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hamono-tena-aho
HAMONO TENA AHO…
RRAG
HAMONO TENA AHO… Mialà ianao, fa aleoko aho ho faty! Mialà ianao, fa efa diso mafy, ‘ty kapoka azera, tetehana hibahanana, ny fontsikaroa, tsy hahita fiadanana. “Ry Meva, mangina, aoka ny tomany, tiako foana ianao, na dia ho an’ny tany. Nefa, tsy ny fahafatesana, no mety ho vahaolana, fa ny fandeferana, am-po t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fon-dreny
FON-DRENY…
RRAG
FON-DRENY… Ry lanitra ao ambony, mafy loatra ity sedran’ ny fo tsy mety tony, ny ady miahy angeza, ny fery toa mitombo, manitatra ny zaitra. Ny omaly no mihombo, ny anio efa tsy laitra, ka mba jereo ihany, na indray mitily aza, leo ny mitomany, fiainam-pingan-dava. Ry lanitra ao ambony, misitery loatra, ny tena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/zanako-vavy
ZANAKO VAVY…
RRAG
ZANAKO VAVY… Ry zanako vavy, toa variana loatra, izato tokan’ny aiko. Efa elaela ihany, no nahitako anao, ka dia nanaitra ny saiko, hoe: Mbola kintana aiza, no hiravoanao, no dia toa variana, variana toy izao? “Papa! Marary ny saiko, voatsindrona mafy, ny atin’ny aiko, ka ahiako ho faty, noho ny fitiavan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/ny-vola
NY VOLA
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Ny vola Ota mpandrafy ny foto-pisaina Mahaefa ny faka any anatin’ny lalina Hery masiaka voatakalo aina Rindrim-baventy takalon’ny marina Sandany tokana ivon’ny ady Manda mpiaro ny fahamboniana Iraka feno mandrava ny fady Mpanapaka tadin’ny fianakaviana Ozatra mafy sy maha rangahy Mpanjaka voalohan’izay hokasa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/isaky-ny-misy
ISAKY NY MISY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ISAKY NY MISY isaky ny misy tsiaro kely monja mitsimoka ato an-tsaiko dia ny endrikao mitsiky ny bikanao mafonja no tena tantaraiko inay aho ka manoratra isaky ny reko ireo kalon'ny fahiny, izay niarahantsika nihira toa mamelombelon-tsento sy tonga alahelo mankadiry ny akon-kiran'ny antsiva ka zary mampat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-voalohany
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA VOALOHANY) Aina…! ‘Lay felana nitsiry, noho ny fitiavana, midoroboka ohatr’izany, rakofa-maitso mavana. Maneho fahagagana, tsy takatry ny saina, saingy fiantombohan’ny, akanin’ny taraina. Santatra…! Fiantombohan-dingana, tiana hotratrarina. Fahasahi-manova, sy miezaka manarina, ny la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vinavina
VINAVINA…
RRAG
VINAVINA… Meva! Ny andro anaovam-boadintsika, dia ho mpandravona ny lasa. Ny andro anaovam-boadintsika, no handrafitra ny kasa, hampiray ‘reo fianakaviana, hitondra ilay firaisankina, hanamafy fihavanana, hampifandray ny tanana. Ilay nolotoin’ny lasa, mbola tsy vita sasa. Fery efa maina, holatry ny aina, h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-lozantsika
‘TY LOZANTSIKA…
RRAG
‘TY LOZANTSIKA… Tsy azo omena tsiny, ny lahatra sy tendry. Tsy azontsika esoina, ny anjaran’ity tany, fa fahadisoantsika, ‘zay Ray sy Reny, ny nanakana fitia, safidin’ny ankizy. Izao fahafatesana, no vokatra hadalana, noho ‘reo sakantsakana, sy ‘reo fandraràna. Izao vovo-tany, tsy hisy hamikirana, ny fitiavan-t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsara-rafitra
TSARA RAFITRA…
RRAG
TSARA RAFITRA… Tsia ry Dada! Tsara rafitra ny ahy, ka sarotra harodana. Niady hatramin’ny fanahy, na dia mbola tsisy vokatra. Saingy ity no mba tsarovy, fa efa nitia ihany ianao. Ka aza asianao tody, ‘ty fitiavan-janakao. “Mbola hiziriziry ihany, amin’ny hevi-disonao, izay fototry ny tomany, izao lanjainao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/soa-fa-tsy-anny-fasana
SOA FA TSY AN’NY FASANA…
RRAG
SOA FA TSY AN’NY FASANA… Soa fa tsy an’ny fasana, ry ‘lay tiako indrindra, ny fitiavantsika. Soa fa tsy mba lasana, lasana nifindra, na koa nangatsiaka. Soa fa voatahiry, toa tsara tsiry, na dia tsy nahazo tondraka. Tsy nisy rano atondraka, ilay fitiavantsika, ‘zay ‘zao vao tafita. Naharesy sedra, nahalav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misiterinny-fitiavana
MISITERIN’NY FITIAVANA…
RRAG
MISITERIN’NY FITIAVANA… Nahoana re ry foko? No toa manery ianao, fa zary tsy hadinoko, ilay nitia anao. Ka any mitambesatra, mihazona ny tenako. Any zary vesatra, nahabe ny entako. Fitiavana niniako, notanako tsy hifoha, tanaty fahanginako, tsy nisy alahelo, no nofohazinao, ka zary niara-droa. Ry foko, aza avel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tolona-tsy-ho-efa
TOLONA TSY HO EFA…
RRAG
TOLONA TSY HO EFA… Ry Mevan’ny fitiavako, tsy ho efako intsony. Tiako loatra ianao, fa toa tsy mety tony, ny fanaintainana, manarona ny feriko. Ka dia ny saiko indray, no manova ny fijeriko. “Mahefa! Handao ahy izany ianao oh?” Tsia, tsy izany velively, ry ilay anjelikely, nitsabo ny ràtram-poko. Ianao tsy hos...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vavaka
VAVAKA…
RRAG
VAVAKA… Ry Andriamanitry ny avo, any ilay Mahefako, arovy tsy ho lavo, fa aleo ho ahy izay tsy efako. Hozakaiko ihany, na dia ho ranomaso, lahatry ny tendriko, fa tena tsy ankaso. Ka raha ny hadisoako, aoka tsy hozakainy! Raha ny tsy finoako, aoka tsy holanjainy! Fa efa mafy loatra, aminy ny fiainana, ka hany s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/zaza-adala
ZAZA ADALA…
RRAG
ZAZA ADALA… Zaza adala, tsy laitra tenenina! Zaza maditra, toa mody be marenina! Mpanosihosy, ny hasin’ny tenany, efa nampianjera, no mbola hiverenany! “Rainy, aza omena tsiny ny fitiavan’ny ankizy! Aza tinerena, fa aleo hisafidy! Fantany eny foana, izay tena tiany. Aleo mba ho tanterahany, izay faniriany!” Ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitanisa-anarana-fizarana-faharoa
MITANISA ANARANA…!
RRAG
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAROA) Tsiry…! Fototra mamatotra, ny faka hitàna. Fatoran’aina mihazona, ny mba ho tamana. Mamoa-binavina, hahafahana mita. Tombantombam-piainana, manosika ho tafita. Ando…! Ainga tsy misaraka, amin’ireo vanin’andro. Fiantombohan’ny dingana, famaritra isan’andro. Mamelombelon’aina,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafatro
HAFATRO…
RRAG
HAFATRO… Nalefako niampita, nihazo lalan-kafa, ‘zay tsy hitam-pahavalo, ilay hafatrahafatro iny. Kinanjo tsy tafita, noho ‘lay izy feno ràtra, vokatry ny hadalana, niainako fahiny. Dia toa zary tsy hita, tsy tonga hatrany akory, fa variana niampita, ‘lay lalana honahona. Angamba ihany koa, mbola resiresi-tory, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/zara-fitia
ZARA-FITIA…
RRAG
ZARA-FITIA… Ry anjely iray mitaratra, ny lalana tsy tazako, ho fahadisoako ve, ny hanontany anao? Iza no anarana, ‘lay tokana mandravaka, izato hakantom-bika, manavaka anao? “Ry tovolahy mijojo, mora taitra maso! Tsy diso aho angamba, raha tsy hamaly anao. Ianao tsy lala akory, raha irony mpiankaso, dia mody ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ranomasom-bady-fo-maratran-janaka
RANOMASOM-BADY, FO MARATRAN-JANAKA…
RRAG
RANOMASOM-BADY, FO MARATRAN-JANAKA… Iny ady iny, no nitondra ranomaso. Iny ady iny, no hany lasa toa ankaso. Nandrava hafaliana, namoizan’olon-tiana, sady toa nanosy dina, no nanimba vinavina. Iny ady iny, no nanery ilay fandaozana. Iny ady iny, no zary foto-pihavaozana. Saingy ranomasom-bady, fo maràtran’anaka,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/novetavetaiko
NOVETAVETAIKO…
RRAG
NOVETAVETAIKO… Novetavetaiko tsy nomeko lanjany, ny hasinao, ry fireneko. Novetavetaiko hatramin’ny akanjony, dia ilay sainanao, foto-pandreseko. Izay nohitsakitsahiko, tsy nasiako hasina, niaraka tamin’ny sata masina. Ilay nampijoro, nampijoro anao, ka tsy hitako intsony, izay azoko atao, ahafahako mamafa, it...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fantatro-ianao-fa-tsy-vonona
FANTATRO IANAO FA TSY VONONA…
RRAG
FANTATRO IANAO FA TSY VONONA… Modiako tsy re, izay antsoantsonao! Modiako tsy valina, izay napetrakao! Satria, fantatro ianao, fa mbola tsy vonona. Eny, fantatro ianao, fa tsy hanaiky ny hitolona, ny fahaleovan-tena, fihinin’ny hafa. Ny hevitro aza, nolazainao ho kasa, izay tsy ho tanteraka, na hanàla ny aiko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indre
INDRE…
RRAG
INDRE… Indre, tazako toa mitomany, dia mandatsaka ny ranomaso. ‘Ty fireneko toa manganohano…, hontsa dia hontsa amin’ny taniny! Sa izaho kosa, no hoe nanadino, ka tsy nahatsiaro, izay fisiana? Izy eny anivon’ny tsilo, no mamerina fitadidiana. Indre! Indro vetso iray mangina, arahako hafa-miampita. No misavov...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/firenena-madagasikara
FIRENENA… MADAGASIKARA…
RRAG
FIRENENA… MADAGASIKARA… Faka iray mamatotra ahy, tsy ananako atambo, ilay rojo nampanahy, nefa fototry ny hambo. Raisiko ho fandresena, na dia vesatry ny ràtra, entim-poko ilay nianjera, teo an-dala-nahazatra, nilalaovako fahiny, eny! Nilalaovanay, eto aho ankehitriny, vao nahatsapa fa mamay, ny ziriziry nentim-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/..-kabary
……..
RRAG
…….. (Kabary) Tompokolahy sy tompokovavy! Indreto arahaba feno ny sitraka, feno firariana mba tsy hisy hanavy, mety havesatra ihany na dia tena fisaka. Indreto fisaorana arahana haja, ombà-piadanana eh! Sy vady sahaza, ombao hafaliana, fitsikitsikiana, mba hanamafy, ny firaisankina. Ny tsiny alao, fa vesatra l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-ani
HO AN’I…
RRAG
HO AN’I… Ho an’i… Nandeha nikopak’elatra, ilay fody mpivahiny. Vao nanomboka nivelatra, dia nianjeràn’ny tsiny. Noho ‘reo ratsy maro vita, tsy efa hotanisaina. ‘Zay mbola re mamatotra, mamefy ny ao an-tsaina, mahatonga disadisa. Asa ianao raha mba mahatsiahy, hatramin’izay nandaozanao. Namela ahy hiahiahy,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/leo-ny-mangina
LEO NY MANGINA…
RRAG
LEO NY MANGINA… Leo ny mangina ny foko maràtra, leo ny mangina na dia efa mahazatra! Leo ny mangina tsy mba miteny, leo ny mangina leo miady irery! Ka na ho enjehina, na hofonjaina, ny foko hiteny, na tsy hokaramaina. Fa leo ny mangina, mitazana fotsiny, leo ny mitanty, izay ho fihontsony, raha toa mahita, ity...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maritiora
MARITIORA…
RRAG
MARITIORA… Maritioranao ireny, ry fireneko tiako indrindra. Ady vitanao no teny, mati-paika tsara rindra. Na namoizanao aina, na namoizanao finoana. Na nisy aza ireo nisaina, fa very foana ny fotoana, dia maritioranao ireny! Satria nahafoy tena ho anao. Mbola hiaro anao ireny, fa tsy any dia handao. Ry fir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tera-bazaha
TERA-BAZAHA…
RRAG
TERA-BAZAHA… Tsy iza tsy akory, fa ‘reo tera-bazaha? No sahy namadika, ny tanindrazany! Tsy iza ihany koa? Fa ‘reo niseho ho sahy, no mety nitsoaka, noho ny hamazany! Fa ny zanaka gasy, na dia tsy nanan’aina, enti-nandrava, ny basim-bahiny. Dia ireo nanan-tsaina, tsy nanaiky nozogaina, toy ny fahiny! Tsy iza i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-tapitra
TSY TAPITRA…
RRAG
TSY TAPITRA… Tsy ny vitako fahiny, na ‘lay kely vitako iny, no ahafahako milaza, fa nahavita betsaka aho. Tsy izay anjara nofidiany, na ny vesatry ny tsiny, nentiny hampikombom-bava, ka hangina tsy hitalaho. Fa ny fony sy ny ahy, dia niray tsy nisy fatotra, tsy nisy dina nifanaovana, ary tsy mba ho mety tapitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fary-mangidy
FARY MANGIDY…
RRAG
FARY MANGIDY… Reraka loatra ‘ty saiko ny miady, ka mila fiatoana ho fakàna aina. Saingy ny asa efa toa fato-tady, tsy maintsy vitaina na dia hanafak’aina. Ny deba mibaiko tsy misy fiatoana! Ny ‘ngeza amin’izany manao baiko moana! Manao didi-jadona dia mampiaka-peo, fa ny baiko midina dia hoe tinereo. Toa fary ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/1947
1947…
RRAG
Ilay alahady alina, feno rà nandriaka, fanavotam-pirenena, zary ady nangatsiaka, namoizan’olomanga, olomangam-pirenena, nandrotehana saranga, nangalarana ny harena. Iny alina iny, no nanokatra ny fery! Iny alina iny, no zary alin-tsianjery, mitoetra am-pon’ny gasy, eny hatramin’izao. Tsy voaraki-taratasy, fa lai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iarivo
IARIVO…
RRAG
IARIVO… Raha maty aho, aza tohofanao tany, fa rakofy ravin-kazo, eo ambodin’ilay akany, izay toerana falehako, fitazanako an’Iarivo. Aza atao am-bata akory, fa aleo hitanik’andro. Aza misasatra avy ianao, fa efa eo ilay masoandro, hiambina ahy, sy ilay Iarivo. Aza asiana lambamena, na fonosana avy aza, aleo ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-alim-pahanginana
RY ALIM-PAHANGINANA…
RRAG
RY ALIM-PAHANGINANA… Raha azonao atao, ry alim-pahanginana, dia aleo ny nofiko, toy ny omaly ihany. ‘Lay tontolo tsy fahitako, ‘lay tokam-pahangirana, ilay misy an’i Meva, ka tsisy ny tomany. Raha azonao atao, mitsidiha ahy matetika, mba hitamberimberina, an’efitro ny hetsika. Maneho ilay bikàna, manoritra an’i ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/taratasy-ho-anny-taniko
TARATASY HO AN’NY TANIKO…
RRAG
TARATASY HO AN’NY TANIKO… Any ianao ry Madagasikara, sanatria tsy manadino. Fa mitady izay mba tsara, saingy indrisy tsy nampino. Fa ianao no toa tafara, sisasisam-pahatsiarovako. Raha sendra aho ka mahatsiahy, toa tanàna fandalovako, fandefeko ny ahiahy. Any ianao ry Gasikara, mety efa levon’ahitra, vao na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tompo-
TOMPO Ô!
RRAG
TOMPO Ô! Ry Tompo ô! Eto aho anio, anoloan’ity ady, izay zakain’ny fireneko. Milavo lefona sahady, dia nandà ny fanekeko. Eto ry Tompo, mitanondrika misento, toa manenina amin’ny vita. Minia mamaky ny vetso, saingy indrisy fa efa tsy hita, fa indray naleviko tamin’ny taniko, namoizako ny akaniko. Eto aho,...