url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/1972
1972…
RRAG
Fanjakana toy ny ahoana, ity kendrena ho hajoro, ka hamoizana aim-bahoaka, tsy hijerevana ny osa? Fitondrana toy ny ahoana, fa ny finoana efa toro, efa leo ny mangina, leo ny fandoavan-trosa? Dia fitaovana hatrany, ny vahoaka madinika, dikaina rehefa misy mamy, tsy omena na dia bitibitika. Tsy izaràna na dia kely...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vavaky-ny-fo
VAVAKY NY FO…
RRAG
VAVAKY NY FO… Ry lanitra ao ambony, mba henoy kely, ‘ty vavaky ny foko, miantso mitalaho. Eo re mba asio, mba asio jinery, ny fitiavana mamatotra, fa sao dia raorao. Ry lanitra ao ambony, tantano koa ny dia, omeo fo iray manaja, omeo olon-tena tia. Manaiky ny hizoga, ny ràtran’ny aiko, hilanja ihany koa, ny fer...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tereo-asaivo-avoakany-avy-hatrany
TEREO, ASAIVO AVOAKANY AVY HATRANY…
RRAG
TEREO, ASAIVO AVOAKANY AVY HATRANY… Misotasota indray, minia ny mandrendrika, ny firenena tokako, ireto fahavalony. Mananika ny vohitra, sady toa manenjika, ‘reo gasy toa ahy, eto amin’ny taniny. Injay nanani-dapa, nanongam-panjakana, niseho ho tompon-daka, saingy tsy nahalala, fa ilàna feom-bahoaka, ny fitantan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/firaisana-ara-nofy
FIRAISANA ARA-NOFY…
RRAG
FIRAISANA ARA-NOFY… Nitovy tsy nisy valaka, tsy nisy fahasamihafana, ny nofinao sy ny azy. Nefa! Toeran-droa misaraka, tsy iray tanàna, no misy anao misy azy. Fa nofy tokam-pototra, toa iray sompitra, no niara-nivahiny, iny alina iny. Tan’efitranonao, sy tan’efitranony. Firaisana ara-nofy, mari-bolamena,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-adalantsika
‘TY HADALANTSIKA…
RRAG
‘TY HADALANTSIKA… Nentinao ‘ty ‘zaho, nentinao niroso, tan’efitranonao! Dia maika ery nandroso, hamihina anao, hitady ny orokao. Namihina ahy ianao, namihina ahy mafy, ka tsy hitako ny atao, fa satriko aza koa, nahitanao niantsampy, namboraka tam-po, ny fitiavanao! ‘Zay mbola velona ao, am-ponao ao, hat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maty-aho-marina
MATY AHO MARINA…
RRAG
MATY AHO MARINA… Antoandro ity ny andro, tapaka ny jiro, mikatona ny trano, ka isika roa no tao. Maty aho, fa ireto akanjonao, eo mba ampidiro. Sao ho tratram-badiko, ‘ty ‘zaho sy ianao, manao ny tsy fanao! Izay isam-padiko, ny mifanadala, noho izy tsy fatao. Maty aho marina, mandeha ianao mody, fa sao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-ani-madagasikarako
HO AN’I MADAGASIKARAKO…
RRAG
HO AN’I MADAGASIKARAKO… Ho anao ry Gasikara, tany mamiko indrindra. Ho anao no hamafazako, izay tena tsara indrindra. Ho anao no hitolomako, ho fanavotam-pirenena. Ho anao ry Gasikara, hangina aho, fa mitenena! Haringako ny mpioko, mpandravarava anao. Potehiko ny sakana, mibahan-dalanao. Dia ny fanafahana, no in...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indreo
INDREO…
RRAG
INDREO… Indreo misento mitomany, mitsiahy ny efa lasa, dia mandreto-manontany, ireo dingan-tsy nifafa, izay miraikitra ao am-pon’ny vahoakanao ry nosy. Nahatsapa fa efa voa, ka tsy sahy ny nitosy! Ry nosy mamy, ny adinao izay tsy efa, no niezahany nialàna, saingy indrisy! Saingy indrisy, fa niantefa, zary ferin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mizotoa-hatrany
MIZOTOA HATRANY…
RRAG
MIZOTOA HATRANY… Mety mafy ny ady, ‘zay hitolomanao mangina. Tady ho tinapaka ny tady, mihombo anaty fanahiana. Nefa ianao mba manan-toky, fa tsy maintsy ho tafita. Mizotoa hatrany ianao, fa tsy ho ela io dia vita.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rehefa-maty-aho
REHEFA MATY AHO…
RRAG
REHEFA MATY AHO… Niadivako ny zo, hanafahako ny taniko. Nokatsahiko ny soa, dia natolotro ny mamiko. Nozaraiko ho an’ny Nosy, fireneko tsy hadino. Mbola ho tafita ianao, ny foko aza mbola mino. Nofatorako ny sedra, eny, na dia vetivety fotsiny. Nobahanako ny setra, mba hanamaivana ny fihontsony. Ny hakànao aina,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/te-hahita-anao-aho
TE HAHITA ANAO AHO…
RRAG
TE HAHITA ANAO AHO… Isan’andro aho mitomany, isan’ora aho manontany, hoe:”Aiza no misy anao?” Mba miverena dieny izao. Te hahita anao aho! Te hitady anao aho! Saingy indrisy fa tsy vitako, ny misy anao aza tsy hitako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-mba-anganongano
TSY MBA ANGANONGANO…
RRAG
TSY MBA ANGANONGANO… Injay ‘lay feo malefaka, toa miritsoka ato anaty, mandalo hanala vesatra, fa tsy handoro ny anaty. Izay ‘lay hiram-pireneko, fihirako isa-maraina, io no foto-pahendreko, noraketin’ilay saina. Dia ‘lay sainam-pireneko, mitondra loko telo miavaka, rarinà fotsy manodidina, sy kofehy enti-mandrav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nangina-aho
NANGINA AHO…
RRAG
NANGINA AHO… Nangina aho, satria tsy nohenoinao. Nangina aho, tsy mba nitalaho, satria ny hafatra nampitaiko, tsy mba nisy valiny. Ireo dingam-bitako, tsy nasianao maminy. Nangina aho, na dia hoe tia. Nangina aho, nihiboka fitia, ho ahy irery! Nangina aho, fa tsy nisy mba nijery. Nangina aho, noho iren...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/arahaba
ARAHABA…
RRAG
ARAHABA… Arahaba no indro atolotra, io no rafitry ny molotra. Tokana fa manan-danja, sady filoaka ny vava. Miavaka ny andro anio! Arahabam-po madio, noho ‘ty fitsingerenan-taonanao, dia ‘lay tokan-tsy nandao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sarisary
SARIN-TONGOTRA…
RRAG
SARIN-TONGOTRA… Ry Gasikara tanindrazako, ilay akaiky ny foko. Ianao no tena namako, ilay tsy mbola nosoloiko. Ho anao no hitolomako, hisedraiko ireto sedra. Ho anao no hahavelomako, raha satriko aza dia ny hateza. Hiaro anao hatrany hatrany, amin’ny tolon’adinao. Dia nataoko ho sarisary, sary tongotro ankavia ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mbola-tsy-hita-hatraminizao
MBOLA TSY HITA HATRAMIN’IZAO…
RRAG
MBOLA TSY HITA HATRAMIN’IZAO… Fitanisako eny foana, fa handroso ihany ianao, nefa! Mandeha ‘ty ny fotoana, mbola tsy hita hatramin’izao. Firesadresaky ny foko, fa tsy ho ela, ny fahafahanao, saingy indrisy fa toa nofy, mbola tsy hita hatramin’izao. Fitatatatako matetika, ny foto-pahavononanao, saingy indrisy fa n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofy-izany
NOFY IZANY…
RRAG
NOFY IZANY… Mitamberina anio, irony tsiahy nitondra ràtra, misavovona avokoa, ny tantara nentin-dasa, ilay nanitatra ny fery, izay nanataka ny zaitra, nozogainao tan-tery, na dia tsapa fa tsy laitra, sady toa tsy zakanao, toy ny tsiny mitambesatra, ry fireneko aoka izao, aoka izao raha tena vesatra. Aleo lanjaik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ndre
‘NDRE…!
RRAG
‘NDRE…! ‘Ndre ‘ty raho-mitatao, mitondra alahelo! Nanafina ny marina, nanorina tsiambaratelo. Tantaram-pirenena, tsy hita hofotorana, tsy vitan’ny nafenina, fa ihany koa nodorana. ‘Ndre ‘ty ranomaso, nanafina hatezerana, nirotsaka tsy fidiny, noho ny fandeferana! Fa raha ny zoga nentinao, ry fireneko tena vesatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/io-ny-zanako
IO NY ZANAKO…
RRAG
IO NY ZANAKO… Misavovona ao an-tsaiko, ry firenena tiako indrindra, ‘reo anatrao ‘zay nolalaiko, zary anatra mifindra. Lova tokan’ny fitiavako, tsy mba sori-bolamena, fa mba hoentiko hanasoavako, hanasoavam-pirenena. Mitambesatra ao am-poko, ry tanindraza-nipoirako, ny ady fitoloman-tsoa, nahitako ny mangirako. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anao-irery
HO ANAO IRERY…
RRAG
HO ANAO IRERY… Anio tsy maintsy aborako, ny tahirim-poko. Anio no atorako, ny fitiavan-tokan-doko. ‘Lay tiako atolotra ho anao, eo mba ambarao, raha toa ka sitrakao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tanindrazana
TANINDRAZANA…
RRAG
TANINDRAZANA… Lafovidy ianao ry tokana, tsy amidy ihany koa. Mety hisy ny mpisompatra, fa toniako ho anao ny fo. Ry tanindrazana malala, tokan’ny aiko eto an-tany. Tsy asiako salasala, ny hiady ho anao hatrany hatrany. Volamenako ianao, aina tsy manam-paharoa. Tsy mba tia mizahozaho, miady foana ho an’ny fo. Fir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lahatra-sa-tendry
LAHATRA SA TENDRY?
RRAG
LAHATRA SA TENDRY? Roa taona lasa izay, izaho sy ianao nifankatia! Roa taona lasa izay, no nivoady hiara-dia! Dia nivadika ny ora, nisosasosa ny fotoana, niroso moramora, dia tinapitra ny taona. Teny isika, samy tsy nisy nahalala, samy mbola tia, samy mbola adaladala. Saingy indrisy, fa nisy rivo-bao nandalo, n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-an-tratrany-ianao
TENY AN-TRATRANY IANAO…
RRAG
TENY AN-TRATRANY IANAO… Niova ny dina, misaona ny foko, fa ianao ‘lay tiana, no tsy maintsy hafoiko. Ka indro, toa embona sisa, no mamatotra mafy, ny dingan-tsy vita, mamery ao anaty. Teny an-tratrany ianao, no tsinjoko omaly, tsy nahita ahy akory, sady toa falifaly. Varia-misioka, nefa mbola tsy tafita, dia ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aty-aho
ATY AHO…
RRAG
ATY AHO… Aty aho! Ilavitra anareo, mahatsiaro ilay tanàna, niaingako teo. Te mba hiarahaba, hoe:”Mba manahoana?” Ampitain-davitra, noho isika tsy afa-mihaona. Aty aho! Manembona ny any. Aty aho, toa velom-panontany, izay mety hiseho any. Toa efa tsy mahandry, ny hialako ety, hitady ilay fitia, eo anolo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/be-marenina
BE MARENINA…
RRAG
BE MARENINA… Fanjakana be marenina, tsy mba mihaino feom-bahoaka. Fanjakana bodongerona, sendra sedra dia mitsoaka. Manao tsindrio fa lavo, ny madinika sy osa, manataka ny gasy, manabe ny trosa. Mivarotra ny harena, tokam-pirenena, fanjakan’adala, tsy ekena, tsy ekena! Fanjakana be marenina, mitazam-potsiny ny v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rafiko
RAFIKO.
RRAG
RAFIKO. Izy ilay tinazako, namihina anao! Izy ilay tratrako, teo an-tratranao! Fony ianao, ‘lay nankafỳ mafy, tsy nety niala teo, toy ny tsy ho faty. Izy ilay tsinjoko, nanoroka ny molotrao. Marary izany, fa ny indroko, dia ny mbola mety handraisako, ny fitiavanao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maty-ilay-mpangataka
MATY ILAY MPANGATAKA…
RRAG
MATY ILAY MPANGATAKA… Omaly hariva, ilay fodian’ny masoandro, no maty ilay mpangataka, ilay mpitanintanin’andro, mitady izay mba ho haniny, sy ‘zay azony ho hateliny, nifarana hatreo, ny ràtra zogam-periny. Maty ilay mpangataka, tao atsinanan-trano. Maty tamoron-dalana, fa tsy mba tra-drano! Tsy nisy mpitomany, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rovi-boridambako
ROVI-BORO-DAMBAKO…
RRAG
ROVI-BORO-DAMBAKO… Na tsy misy aza hotafiana, anatin’ity alina, izay alina mangina, mampisento lalina. Dia tsy hiangavy anao aho, na ihany koa hitalaho, ka hiladilady eo aminao, noho ‘ty loza mifamaho. Na tsy hisy aza hanina, azo atao tohan’aina. Dia ny fo izay manina, tsy havela hiasa saina, hitsiaro anao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-ilan-kapako
NY ILAN-KAPAKO…
RRAG
NY ILAN-KAPAKO… Foiny isika teny an’ala, ‘lay ianao nandray ny tanako, no tsaroako niala, noho ny hovitry ny tratrako, ilay ilan-kapa, vao novidiko omaly. Tsaroako tamin’iny, ianao ilay nikiry, hanoroka ny molotro, nefa, nihovitra ny tongotro. Ary hadino teo, ilay kapako vaovao! Ilay ilan-kapako iny, no t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-loatra
TIAKO LOATRA…
RRAG
TIAKO LOATRA… Tsy sahiko ampijaliana. Tsy sahiko ampitomaniana. Tiako loatra mantsy ianao, ka tsy ho avelako hitalaho.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kitikitika
KITIKITIKA…
RRAG
KITIKITIKA… Iny ilay mba nandry, nakanaka aina, iny aho no nandre, tanana nisafo, ny foko re nidoboka, resin’ny taintaina, toy ny hoe natanika, teo afovoan’afo. Iny ianao no reko, nanararao-namaha, namaha ny bokotra, nanidy ny akanjoko. Nanipaka ny zipo, nefa aho tsy sahy, ka avy hatrany ianao naronjiko. Iny i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nailikao
NAILIKAO…
RRAG
NAILIKAO… Noraisiko mora, ireo rantsan-tananao. Dia mba nofihiniko! Nofihiniko mafy, nataoko teo an-tratrako. Hiheno ny fitepo! Fitepon’ny foko, izay ao anatiko ao. Nampanatoniko mora, ny molotrao roa, ny molotro hanoroka. Satria mba noheveriko, fa babo toy ny ahy. Izato fonao! Saingy indrisy! Indrisy f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sori-dalana-vaovao
SORI-DALANA VAOVAO…
RRAG
SORI-DALANA VAOVAO… Ry mpitondra fanjakana, mijaly loatra ‘zahay vahoaka. Ny anareo ve no hadalana, dia ny vilany ‘ndray hapoaka? Tsy hinananay madinika, sisasisa omenareo. Ry mpitondra fanjakana, ‘zahay vahoaka mba jereo. Ny kibonay ‘zao noana, te mba hinana ‘zay ambiny. Nefa dia! Toy izao foana, tsy maintsy mil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/noraisiko
NORAISIKO…
RRAG
NORAISIKO… Noraisin’ireto tanako, ‘ty tanana malefaky ny sasa-lambanao. K’injay fa nofihiniko, notanako mafy tsy hiala toy izao. Indro nosakanako ny taratra hazavana, mitinarataratra ny safosafo atolotro! ‘Njay koa ‘ty hadalana, filàna tsy voatohitro! Soa fa nikorontana ny akoho tandrefan-trano, ka mba nanait...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/bitsika
BITSIKA…
RRAG
BITSIKA… Mitsoka vao maraina, ny rivo-manitr’ala, ny zavona misava, misintaka miala. Mitinaratra mangina, ny taratry ny masoandro, mibitsika amin’ny tiana, toa ho efa ho isan’andro. ‘Lay bitsika fitia, novinakin’ny fo. Injay! Injay fa reko, reko toa misafo, misafon’ny hakanto, hakanton’ny fitia. Manarom-po roa,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/adinonao-tanteraka
HADINONAO TANTERAKA.
RRAG
HADINONAO TANTERAKA. Indrisy fa efa vovoka, indaosina tadio, ‘lay vao niantomboka, ‘zay rava sahady anio. Ka hadinonao tanteraka, hatramin’ny fisiako. Fitia ‘ray mivoreraka, no navelanao tafiako. Indrisy sisasisa, tsy mety atao tsiaro. Fitiavana mangatsiaka, ninianao nafangaro! No injay navelanao, ho lova...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-ary-aho
IZA ARY AHO?
RRAG
IZA ARY AHO? Tso-piaina tsy mba manana, harena mampiriaria, voro-damba no fitafy, vorotra “fripérie”. Bolongan-tany tsara tovana, no narafitra ho fonenana. Hazo boboka efa lozotra, tsy mety angamba ny hitehenana. Iza ary aho? Zana-dambo toa tantsaha, miarin-doha, raha sendra lavo. Tsy mba tia miahiahy, raha mik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fasana-voaloha
FASANA VOALOHA…
RRAG
FASANA VOALOHA… Ry olo-nofinidy, tsy manam-paharoa, ianao no safidy, fasana voaloha… Fasako iray, mamatotra ny saiko, ho mandrakizay, mandrapiala ny aiko. Ny lahatra no fototra, nahatonga anao. Ny tendry no nandrafitra, izay vao nisy ianao. Ny anjara kosa, no isan’ny mpandalotra. Ianao ry ‘lay fitiavako, no ata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-mosoarako
ILAY MOSOARAKO…
RRAG
ILAY MOSOARAKO… Ny anao toa irony lafovidy, misolo isaky ny hampiasa. Ny ahy tsy misy fisafidy, fa ‘lay rakitry ny lasa. Mbola ilay namafàko, ny ranomason’alaheloko. Mbola ilay nitsapako, ny fara-lalim-periko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-alim-pahanginako
‘LAY ALIM-PAHANGINAKO…
RRAG
‘LAY ALIM-PAHANGINAKO… Nosedraiko izaho irery, na dia tomefy hirifiry, ilay alim-pahanginako. Nosoritiko tan-tery, ilay laha-tsy nitsiry, tanaty alim-pahanginako. Nofaritako nialoha, nosoritin’ny fo, ho azy irery ihany, ianao nefa indrisy! Fa nozarainy tamin’ny tany, dia fitiavana manify, no sisa anjarany,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aiza-ianao
AIZA IANAO?
RRAG
AIZA IANAO? Mangina loatra, ‘lay efitra mitokana, raha sendra tsy eo ianao. Injay toa re mitroatra, ‘lay foko izay nangoraka, ny hiverenanao. Fa aiza anefa ianao? Fa reko mitalaho, ilay miandry hotiavina, ka aza mba lavina. Raiso avy hatrany, mba tsy hitomany. Maizina ny efitra, raha sendra tsy ao ianao. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eto
ETO…
RRAG
ETO… Eto amoron-doharano, no mitamberina ‘reo lasa, toa mahatsiaro ireo angano, sy ny ankaso izay nandràtra. Mahatsiaro anao ‘lay any, mitanisa zava-bita. Dia mandreto-mitomany, mijinery ny eny ampita. Eto amorom-patana eto, no misavovona ny tsiahy. Dia mandraiky toa misento, ka hontsa hatramin’ny fanahy. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misy
MISY…
RRAG
MISY… Misy any ho any, fo mitia anao mangina. Ka aza mitomany, fa hoavy foana ‘lay tena tiana. Misy any ho any, fo maniry anao mafy. Mandreto-mitomany, raha sendra ianao, zava-tsy tanty. Ireny fo ireny, tsy tokana fa maro. Mody tsy miteny, fa mifangaroharo. Dia mibitsika mangina, manafosafo anaty nofy. S...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nanofy-anao-aho
NANOFY ANAO AHO…
RRAG
NANOFY ANAO AHO… Hisy firy toy ireny, ny alina hosedraiko? Alim-bitsy feno nofy, fitoetranao ‘lay nolalaiko. Nanofy anao aho, dia satriko ho teo foana, ‘lay tsikinao tanaty nofiko, satriko iny tsy ho foana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tamininy
TAMIN’INY…
RRAG
TAMIN’INY… Nanoroka ny molotro, ianao dia injay nanosika! Nanosika ahy hianjera, tam-parafaranao. Nasorinao avokoa, sy novahànao ny bokotran’ ny fitafianao, ka nitolona ahy ianao. Norovitinao ny akanjoko, ‘njay toa natsipinao! Notsofinao ny jiro, ary avy eo natontanao. Dia teo ilay fotoana, mamy indrindra no nan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hangina-intsony-aho
TSY HANGINA INTSONY AHO…
RRAG
TSY HANGINA INTSONY AHO… Na ho enjehina aza aho, dia tsy maintsy haneho ny am-poko, ka tsy hangina intsony izao, satria ianao mbola tsy foiko. Fa satriko ho anilako, hofihinin’ity tanako, miandry anao hamikitra, miandry anao hifikitra, ka hiondana eo an-tratrako, hanadio ny lasako. Dia tsy hangina intsony ah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hanitry-ny-fo
HANITRY NY FO…
RRAG
HANITRY NY FO… Tokana ihany, ilay tadiaviko aminao. Tsy vola, tsy harena, tsy fitia kilalao. Fa ‘lay fitiavana miloko, fotsy miary mena. Fitiavana madio, tsy mifangaro, fitiavan-tena. Io no hanitra, irin’ny foko. Any no lanitra, hany mba hinoako. Ka eo mba atolory, ry ilay tena tiana! Fa io no hiandrasako, io ‘...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha
RAHA…
RRAG
RAHA… Raha hoterena, hangina ny fo, dia ‘ty no tsarovy, fa mety hamaky loha, sy mety hoe hanody, ny fery, modian-tsy nojerena, nefa injay manolatra, hiandrasana ihany ve, ho vaky ny molotra? Izay vao havela, ny hitatatata, ho ren’ny marenina, izay mody badenin’ny ràtra tsy misy, saingy indrisy, fa tsy ho anio, a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsianjerim-pitia
TSIANJERIM-PITIA…
RRAG
TSIANJERIM-PITIA… Tiako ianao, re isan’andro, tsy marain-tsy hariva, tsy maty masoandro. Tiako ianao, toa hoe: “Rotsirotsy”, ny lokom-pitiavana, hono hoe: “Fotsy”. Tsianjerim-pitia, re mandava-taona, tsy fetin’ny tiana, tsy andro misaona. Indraindray toa mankaleo, ny sofina mihaino, mba lanjalanjao eh! Ary koa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-tianao
RAHA TIANAO…
RRAG
RAHA TIANAO… Mangina toa misaona, ny alim-piafenako. Fery efa nilona, no ivom-piambenako. Raha toa ka tianao, dia ianao ihany, no hany fanafody, mety hahasitrana izany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny-isika
IRENY ISIKA…
RRAG
IRENY ISIKA… Ireny isika tsy nijery, tsy nitodika nitazana, ny lasa iray ‘zay misitery, nisy ady tena mazana. Mbola nahiratra ihany, na dia jamba nifampitantana, ka nahanika ny avo, vao nitady fisandratana. Ireny isika samy tia, toa tafita ho azy teny, mpivady anefa izao ity, manjaka loatra ny eson-teny. Mifanoz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voady
VOADY…
RRAG
VOADY… Teo ambonin’ny alitara, no nanekeko hitia anao! Teo anoloan’Andriamanitra, no nanekeko ho vadinao! Hanamafisako ‘reo toky, velirano sesehena! Ka ny fitiavantsika, no ho amboaram-pandresena. Ka na ho mamy na mangidy, ny lalana hizorantsika. Dia io no safidy, iarahantsika hiampita. Ny fahafatesana no fetra,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitiavana-halatra
FITIAVANA HALATRA…
RRAG
FITIAVANA HALATRA… Noraisiko tan-tanako, ny sioka iray mangina ny rantsam-batanao, ary nofandrihako, satria noheveriko ho lasim-po vaovao. Notsofiko ny jiro, nakimpiko ny masoko, toa tazako ny ivo, ivon’ny ankasoko. Nahidiko moramora, ny varavaran’ny efitro, ny latsalatsanao, izay efa toa tsy lefitro. Nota...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anilay-malalako
HO AN’ILAY MALALAKO…
RRAG
HO AN’ILAY MALALAKO… Ho an’ilay malalako! Ity ny taratasy, mety farany hosoratako, mialohan’ny ialako aina, handao izato tany, ento hampaherezana, fa aza mitomany, fa efa izao no lahatra, izao no tendrin-tany, ka tahirizo am-po tsy lao, fa mety mbola ho mamy. Jereo ny zanatsika, fafao ny ranomasony, i Dada hoe ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eto-aho
ETO AHO…
RRAG
ETO AHO… Eto anoloam-batam-paty, no miondrika mangina, misento mitomany, mizaka zogam-pijaliana. Lasa hono mantsy ianao, lasana nandao, hoy ny laha-tany, ka tsy maintsy mitomany. Ny ranomasoko milatsaka, toy ny orambe matevina, tsy mba mety ny mitsahatra, raha teo ianao angamba nievina. Saingy indrisy vata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/akaninny-lahatra
AKANIN’NY LAHATRA…
RRAG
AKANIN’NY LAHATRA… Tsy maintsy ho ianao, no faran’ny akany! Tsy maintsy ianao, no fototry ny tomany! Tsy maintsy ianao, no handrava ny efa vita! Tsy maintsy mbola ianao, no tsy hahatafita! Ry akanin’ny lahatra, ianao ‘lay fatoran’ito ratsy, mamatotra ny aina, mangeja azy mafy, mihazona azy, mba tsy ho tafita, z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/resitory
RESI-TORY…
RRAG
RESI-TORY… Nangina ny fo, tsy niteny, satria manina! Navela hiriaria, ny sangodim-panina. Nisesy koa ny latsa, ka zary nahazatra, ny fo tsy nety tony, nifono lonilony. Ka na te hiarahaba, aza, tsy mahasoka-bava. Tsy mahateny akory, asa, mbola resi-tory!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-ianao
TIAKO IANAO!
RRAG
TIAKO IANAO! Mihovitra ny molotro, maneho am-panahiana. Mangovitra ny tongotro, manahy ny tsy ho tiana. Tiako loatra mantsy ianao, asa anefa! Fa toa tsy fantatrao, tsy mba tsapanao akory, ny antom-pisiako. Nefa, dia nesoinao, nolatsainao mafy, noterenao hanefa, zavatra tsy tanty, efa nanindrona, nanindr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anao
HO ANAO…
RRAG
HO ANAO… Any ianao, fa eo tsarovy ihany, ‘lay zandrinao aty, indrao dia mitomany! Ka ho anao no andefasako, ity antso ity. Any ianao, toa nanadino ahy aty. Ny foko mitalaho, mbola diso tena tia. Miverena faingana, fa manina anao, ny foko mitaraina, mitady mafy, izay mba misy anao. Mandefasa hafatra! Am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tena-ianao-mihitsy
TENA IANAO MIHITSY…
RRAG
TENA IANAO MIHITSY… Tena ianao mihitsy, ‘lay tazako omaly, tsy nahita ahy akory, toa diso falifaly, miramira-misakambina, izato olon-tianao, dia sahy nanosihosy, ireo dina izay natao. Asa, izay angamba, no hany tendrin-dahatra, hatreo! Hatreo ny antsika, dia tsy maintsy atsahatra, sao ho fery iray hilona, handot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-tantarantsika
‘LAY TANTARANTSIKA…
RRAG
‘LAY TANTARANTSIKA… Efa nalevin’ny omaly mba tsy hihiratra! Efa natototra tsy hahita izay mangilatra ! ‘Lay tantarantsika efa novonoina, efa hatramin’ny ela no niniana nadinoina. Indrisy fa nihiratra, nanafo indray, nandoro ny fo, ‘lay sisa tsy nety may. ‘Lay sisa tsy mba levon’ny tantarantsika, mbola navaingan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/akatoko
AKATOKO…
RRAG
AKATOKO… Akatoko ny pejy, fa efa lasa ny entam-po! Efa lasa nanavao, ny akany mba ho soa! Satria ianao nitoetra, nanaiky ny ho anilako! Nanaiky hizaka izay ho ràtrako, nanaiky hilanja ny fijaliako. Akatoko ny pejy, hofaranako eto ny tantara! Na ho tsara, na ho ratsy fiafara! Fa efa betsaka ny mamy, nozaraiko ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vavahady-tokana
VAVAHADY TOKANA…
RRAG
VAVAHADY TOKANA… Varavaran-tokana, no nidirako tao! Fanalahidy tokana, no nanokafako, ny fonao. Nahafahako nandroso, tsy nisy fihafahafana. Nahafahako niroso, na dia sedra iray malama, mety handrendrika ahy, ny fitiavanao! Dia ny foko efa adala, mila anao, mila anao. Vavahady tokana, ilay nakaratoko vao niditra....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aritra
ARITRA…
RRAG
ARITRA… Niaritra aho satria, nihevitra ho tiana, saingy indrisy, fa zary nahavariana, ilay fandaozanao, tsy nisy mba veloma, toy ny, nifono raorao, nahatonga fo nisaona. Miaritra aho satria, diso tianao! Miandry ilay fitia, fitia izay nandao, ilay akanim-poko, tsy mbola nosoloiko. Ny endrikao miserana, toa tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/-13370
……………………
RRAG
Manjombina maloka, ny andron’ny fo, fa ravan’ny lahatra, ‘lay hoe hiara-droa. Nazeran’ny vintana, ny fitia tsara voly, nahintsan’ny tendry, mba tsy hamony. Nisintonin’ny fasana, ilay nofinidy. Ny ho faty ve moa, iza no hisafidy? Tsy satry aza moa, hiara-dia eny foana? Nefa indrisy anio, ny fo dia hisaona. Ka or...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/daliah
“DALIAH”…
RRAG
“DALIAH”… Tsara felana ny raozy, tsara fototra ny lisy, tokam-piaina raha ny vero, ny tatamo efa vitsy. Fa ny “daliah” kosa, mamelombelona ny aina, manafo mora ny herin-tsaina, hifohazan’ny maraina. Manga felan’izy anefa, fotsy hoditra fitafy, maitso ravina tanora, toa ela fiaina vao maty. Toy izany ilay fitia,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izay-tia-no-adala
IZAY TIA NO ADALA…
RRAG
IZAY TIA NO ADALA… Aza tsaraina, ny foko fa adala, efa tsy tiana, mbola tsy miala, efa atositosika, tsy hisy mpijery, nefa mbola ianao, dia ianao irery! No indray fitanisany, fanehon’ny vava, fitia nahadrodroka, tsy tiana ho rava. Izay tia no adala, ka tsy hahalala, ny fery hozakaina, mety hanafaka ny aina. Iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/foiny-ianao-vao-hitako
FONY IANAO VAO HITAKO…
RRAG
FONY IANAO VAO HITAKO… Fony ianao vao hitako, dia tiako sahady, satriko isika, ho lasa mpivady! Saingy indrisy anefa, fa ny nofinofy, dia toy ny tosy omaly, ka mety ho mora hiofo. Fony aho nahitanao, dia tsy nahajeri-maso! Anio anefa ireny, toa miendrika ankaso, satria ianao nandao, fa zary leo nionona, ka nila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mba-hirotsaka-koa-aho
MBA HIROTSAKA KOA AHO…!
RRAG
MBA HIROTSAKA KOA AHO…! Vitan’irony ve dia tsy ho vitan’ialahy? Hoy ny saiko, mandreby fanahy. Taitra ny foko, dia nikiry nitroatra: “Hirotsaka aho, hanasoa vahoaka!” Ny tetik’asa tsy lainga, fa mbola tsy misy, ny zava-bita, tsy nahefa na dia mba vitsy, fa ny hambom-po, no manosika ahy hiroso. Fokontany aza tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/safidy-sa-lahatra
SAFIDY SA LAHATRA?
RRAG
SAFIDY SA LAHATRA? Indro tokoa fa dia vaky ny loha. Ny fitiavana ve mba safidin’ny fo? Sa lahatra ihany tsy azo amaharana? Dia mangina ka miaiky izay fandaharana! Toa tomefy loatra ny sedra hosedraina, misy amin’ireny mila haningotra ny aty. Ka raha safidy tsy aleo mba dikaina, izay mantsy no hinoako tsy hamono...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/-13371
……………………
RRAG
Manjombina maloka, ny andron’ny fo, fa ravan’ny lahatra, ‘lay hoe hiara-droa. Nazeran’ny vintana, ny fitia tsara voly, nahintsan’ny tendry, mba tsy hamony. Nisintonin’ny fasana, ilay nofinidy. Ny ho faty ve moa, iza no hisafidy? Tsy satry aza moa, hiara-dia eny foana? Nefa indrisy anio, ny fo dia hisaona. Ka or...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-taloha
ILAY TALOHA…!
RRAG
ILAY TALOHA…! Firesakao matetika, ny zava-bitan’iny, miteny ianao imbetika, tena lafatra izy. Tia anao hoe ka, nahafoy zava-maro? Tokana iny hoy ianao, ka sarotra atakalo. Miloa-bava ianao dia, ny endriny mambabo, izay teny aloakam-bavany, dia mampiravoravo. Mamiratra ny soritra, eny an-tavanao, tsapako anio fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafa-ny-andro-anio
HAFA NY ANDRO ANIO…
RRAG
Satry hifandray tanana amintsika rehetra avy, saingy kopa-tanana no afaka atao noho ny halavirana! Arahabaina manokana ianao poeta amin’izao andro manerantany natokana ho anao izao. Ianao tokoa ilay mpandrava ny tsy rariny ary mpampitovy zo ny rehetra. Tolorana arahaba manokana ihany koa ianao mpamaky sy mpankafỳ azy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/-manjombina
MANJOMBINA…!
RRAG
MANJOMBINA…! Manjombina maloka, ny andron’ny fo, fa ravan’ny lahatra, ‘lay hoe hiara-droa. Nazeran’ny vintana, ny fitia tsara voly, nahintsan’ny tendry, mba tsy hamony. Nisintonin’ny fasana, ilay nofinidy. Ny ho faty ve moa, iza no hisafidy? Tsy satry aza moa, hiara-dia eny foana? Nefa indrisy anio, ny fo dia h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/amboara-ho-anao
AMBOARA HO ANAO…
RRAG
AMBOARA HO ANAO… Ho anao no anoratako, ity amboara ity. Amboara voka-po, voka-pitia. Amboara tokana, tsy hanam-paharoa. Amboaram-pitiavako, ilay nitondra soa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tapitra
TAPITRA…!
RRAG
TAPITRA…! Zendana ny tena, hontsa ny aty fo, indray nipimaso, rava ny antsikaroa. Saingy ny tsy zaka, dia ny fitaka natao, nitondra fo naràtra, fa tsy noheverinao. Teny an’alitara, no ringana ny antsika! Nahita azy ianao dia, zary nangatsiaka, niova ho ranomandry, ny fitia nitoetra. Izany ve ry tiako, tsy efa h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vovoka-ny-fitiavana
VOVOKA NY FITIAVANA….
RRAG
VOVOKA NY FITIAVANA…. Rivotra kely, nitsoka nandalo, dia nampisidina, ilay fitia. Vahiny nisioka, nivetso nikalo, no lasa narahan’ilay nilaza ho tia. Vovoka mora manidina marina, mahaditsoka maso, mandràtra ny manina, aloka tsy hita, anatin’ny alina, ny fitia zava-poana, toa sangodim-panina. Vovoka angamba, iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pejy
PEJY…!
RRAG
PEJY…! Hanokafako ity pejy, teny tokana ao am-poko, fa ny lahatra sy tendry, dia anjara iray hinoako. Ny lohateny entiko, dia ny ho an’ilay malalako, fa izy no hany tokana, nandrafitra ny tantarako. Ka ialao tsiny any, raha misy olona hadino! Fa hisy amboara iray vaovao, amboara iray haneho, azy ireny, izaho dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ity-amboara-ity
ITY AMBOARA ITY…!
RRAG
ITY AMBOARA ITY…! Tsy andriko ny ora, ny ora hiravàna, hahitako anao, ry ‘lay tsy manan-tsahala, tokana am-poko, izay nofinidiko. Ny andro anio, dia tena isan-tadidiko! Andro fahatsiarovana, ilay nihaonantsika, izay nifampitan’ireo, aingam-po ho tafita, ka nifamatoran’ny, fo roa mba ho iray, fe ankehitriny, zar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-foana-eh
TIAKO FOANA EH!
RRAG
TIAKO FOANA EH! Na haratsiany toy ny ahoana, na hototofany haratsiana! Dia tiako foana ianao, fa aza asiana fanahiana. Matokisa ny fitiavako, izay naborako ho anao. Raha mbola izaho koa no izaho, dia tsy hihevitra ny handao. Na soketaina toetra aza, na holotoin-tava koa! Dia ny fitiavako no tokana, tsy manan-doko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofinny-lasa
NOFIN’NY LASA…!
RRAG
NOFIN’NY LASA…! Mafy tokoa, izany tia ka tsy tiana. Ny afo ao am-po, tsy azo hamindroana. Ny redaredany, maningotra ny aty, nefa rivo-mandalo, dia mamono mahafaty! Mandrava ny dina, izay nifanolorana. Mandrotik’ireo vina, izay niloforana. Niadiana mafy, ho fototry ny hoavy. Saingy indrisy anefa, fa tinapaka tad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/malala
MALALA
RRAG
MALALA Antso iray tsy foiko, aloakam-bavanao matetika, ‘lay teny hoe malala. Teny fiantsoako anao, zary lasa anaranao, ry ‘lay tsy manan-tsahala. Tokana ao am-poko ianao, fitia tsy hosoloiko, ny anao r’ilay anjara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-tsara-tefy
FITIA TSARA TEFY…!
RRAG
FITIA TSARA TEFY…! Injany tomefy hafaliana, tsy homby tratra sy aty fo, fa ho eo anilan’olon-tiana, ka ho iray fa tsy ho roa. Toa tontosa ihany lahy, izato voadim-paniriana, ka hiray fo fanahy, aminao ‘lay tena tiana. Izay toky haloakako eto, dia nitsiry avy any am-po. Aleo kely aho hisento, fa fifaliako izany al...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-dia
NA DIA…
RRAG
NA DIA… Mbola zaza ianao mazàna, dia faly ny hiditra am-piangonana. Lehibe dia tsy tamana, satria hoe: “Mamelon’ankohonana!” Saingy ny tsy mba tsapanao, dia ny Tompo teny foana. Niaro sy nitahy anao, ninoninona fotoana. Sendra ady mafy anefa, dia ‘njay miantso ‘lay anarana. Fa angaha moa tsy nahefa, ireo no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fisarahana
FISARAHANA…
RRAG
FISARAHANA… Tsy ny halaviran-tany, no namaritra fitia. Tsy ‘lay hoe ambodin-trano, dia manja ery ny dia. Fa ny fo mitepo anaty, no mandrafitra tantara. Tia ianao, tia hono izy, dia hoy ianao hoe: “Izay dia tsara”. Raha ny teny mantsy hono, manan’elatra ohatr’izany, mainka moa fa ny honohono, singa fototra tomany,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tamininy-fizarana-2
TAMIN’INY…
RRAG
TAMIN’INY… (FIZARANA FAHAROA) Nitinazana an-tsiky dia, nibanjina ‘lay jery, izay natopitopinao ka zary, nahatonga ahy nahateny, hoe: “Malala a! Tiako ianao! Eny, tiako loatra ianao, tiako loatra ka tsy ho vitako, ny handao ‘zao ora izao”. Tsy haiko ny hanalavitra, fa tsy foiko‘ty angolangolanao, ka dia nanery ah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-nampoizina
TSY NAMPOIZINA…
RRAG
Misy ilay fitenenana hoe: “Arahabao ny mpandalo, fa tsy fantatra izay ho fara rafozana”. Dia somary asiako tohiny hoe: “Mba valivalio ihany ny arahaba-mpandalo fa tsy hay izay mety ho vinanto”. TSY NAMPOIZINA… Ay ve ianareo ka, olo-mifankahalala, natositosi-drivotra, mba hifampizara? Hifanakalo angamba e! Arahaba v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indrisy
INDRISY…!
RRAG
INDRISY…! Indrisy fa tsy maintsy, milefitra mangina, anaty fandeferana, ny fo rehefa tia. Tsy hasiana fanenenana, ny nizaram-pitia, ka aborako ho anao, fa tena tiako ianao. Indrisy fa tsy maintsy, miezaka milefitra, mangina tsy miteny, ny fo ‘zay tena tia. Ny fahanginana dia tady, ny fandeferana dia efitra, fam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fo-rehefa-tia
NY FO REHEFA TIA……….
RRAG
NY FO REHEFA TIA………. Ny fo rehefa tia, dia sahy miatrik'ady, sahy misedra olana, mitraka anaty sedra. Ny fo rehefa tia, dia milefitra eny an'ady, tsy malai-mivolana, tsy miseho ho ‘ngeza.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/love
“LOVE”…
RRAG
“LOVE”… Tsy dia haiko loatra, ny miteny anglisy. Tsy haiko, ny milaza ‘zay tsy misy. Fa ny “love” no hany fantatro, sy mba haiko mitanisa, “I love”, hoy ‘ty vavako, amin’ny “love” manapitrisa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sombiny
SOMBINY…!
RRAG
SOMBINY…! Injay fa toa mitroatra, mikiky mafy anaty, mandoro ny atim-pony, mamaivay tsy tanty, ny afon’ny fitiavany, manosika hitia anao. Nefa tsy ho voaborany, raha toa ka mbola izao! Toa hoe: “Tahirin’iny mantsy”, ka sarobidy loatra, dia tsy hainy ny mamatra, fa sao indray mihoatra, manarona izato zinga, ity r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao
IANAO A!
RRAG
IANAO A! Ianao, fa tsisy ankoatra anao, no hany tokana ato am-poko. Ianao, fa tsisy hafa mihoatra anao, no nambabo 'ty foko. Tiako ianao ka safidiako, tiako ianao ka tena tiako. Tiako ianao malala, tiako tsisy salasala!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fikasana
FIKASANA…
RRAG
FIKASANA… Efa fantatro fa hisy, oram-baratra hitroatra, hamoaka indray ny hirifiry, izay tsy tiako hiloaka. Efa tsapako ihany koa, fa hisy fery tsy hay sitranina, hikiky hatrany ny aty fo, raha tsy hamono tsy hijanona. Efa lalako daholo, fa ‘zay ezaka ho ataoko, dia toy ny afo hisy hamono, raha toa ka sendra nola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-resy
EFA RESY…
RRAG
EFA RESY… Vao nanokatra aho ‘ty vavako, dia efa resinao ny foko. Jamba angamba fa tsy lalako, fa toa reko te hitoloko. Ny fanantenana anaty, sy ny fitia tsy mety maty.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/afo-iray-nandoro
AFO IRAY NANDORO
RRAG
AFO IRAY NANDORO Afo iray nandoro, ny foko hatramin’ny taona ela, ny fitiavako anao. Sahiko ny hijoro, na dia hisy hinia hampianjera, ny teteza-misy anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tra-pahoriana
TRA-PAHORIANA…
RRAG
TRA-PAHORIANA… Misy tokoa ve andro voatokana, hitomanian’ny fo tena tia? Ary hisy fitia tsy mety ho voafolaka, fa samihafa vina ny mpifankatia? Moa hisy alahelo, tsy tiana hovakiana, milona ao anatin’ny fo efa kivy? Ka ‘reo voady vita sy ireo faniriana, dia an-jaoridiran’ny isan-tsafidy. Fa tra-pahoriana ny fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anny-tiako
HO AN'NY TIAKO!
RRAG
HO AN'NY TIAKO! Vao nanomboka namboraka, taminao ny fitiavako aho dia, nanomboka niezaka, nitàna ny toky, izay nomeko anao, satria tokoa mantsy, tena tiako ianao. Vao nanomboka ny foko, nitia anao mangina dia, toa tsaroako, ilavi-panahiana, satria nomeko anao, ny foko manontolo, izay efa lasanao, ianao ‘...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tena-itiavako-anao
NY TENA ITIAVAKO ANAO…!
RRAG
NY TENA ITIAVAKO ANAO…! Ny rehetra rehetra eny aminao, dia toa laniko avokoa. Izay maha ianao anao, dia efa mitsiry ato am-po. Ka ny tena itiavako anao, dia tsy misy hafa tsy ‘zao, feno amiko ny mombanao, ka tiako tena tiako ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misiterinny-fitia
MISITERIN’NY FITIA…
RRAG
MISITERIN’NY FITIA… Tsy ny teny aloa-bava, no fambara ny fitiavana. Tsy ny fihetsika mazava, no ahafahana mihavana, fa ‘lay ao am-po mitroatra, mikiry mafy ny ho aboraka. Io ilay tsy niloaka, te hiantsampy, te hiantoraka! Sarisarin-jaridaina, misy vony maro loko, misy fanahy, misy saina, misy fo mitoloko, misy r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofiko-io
NOFIKO IO…..!
RRAG
NOFIKO IO…..! Nofiko io dia teo ianao, nosafoiko! Injay koa nisafo ahy. Nofiko io dia teo ianao, norohako! Ary avy eo nanoroka ahy! Nofiko io ‘lay misy anao, mitositosy eto an-tratrako. Dia manorokoroka ahy ianao, ianao ‘lay tiako sy malalako.