url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/1972 | 1972… | RRAG | Fanjakana toy ny ahoana, ity kendrena ho hajoro,
ka hamoizana aim-bahoaka, tsy hijerevana ny osa?
Fitondrana toy ny ahoana, fa ny finoana efa toro,
efa leo ny mangina, leo ny fandoavan-trosa?
Dia fitaovana hatrany, ny vahoaka madinika,
dikaina rehefa misy mamy, tsy omena na dia bitibitika.
Tsy izaràna na dia kely, tsy henoin-teny akory!
Ka nahoana izy ireny, no tsy hitroatra noho ny sory…?
Fanjakana toa akory, ity handravàna ny efa misy?
Sao dia fanjakan-devoly, ka ho nofy koa ny ampitso?
Ka na hiongana aza ny eo, ny hoavy toa tsy hitsitsy,
dia tsy aleo ve ‘zay teo, raha ny anio no hoe ampitso?
Toy ireny no nitranga, tamin’ny taona 1972.
Toy ireny no nitranga, tan-drenivohitr’Iarivo.
Ka maro ireo tanora, namoy aina tsy fidiny,
saingy indrisy tsy tsaroana, na dia ny aina namidiny,
ho fanavotam-pirenena, ilay nianjera anaty haizina.
Mbola maro tamin’ireo, no mbola mandry an-tranomaizina.
Ka mirongatra mandrava, ny hany kely antenainy,
ireo mpitondra nifanesy, tsy mbola nisy sahy niaiky,
fa zava-poana ny fahafahana, raha tsy sitrapom-bahoaka,
ka hijoro hatrany ireo, na basy aza no hipoaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vavaky-ny-fo | VAVAKY NY FO… | RRAG | VAVAKY NY FO…
Ry lanitra ao ambony, mba henoy kely,
‘ty vavaky ny foko, miantso mitalaho.
Eo re mba asio, mba asio jinery,
ny fitiavana mamatotra, fa sao dia raorao.
Ry lanitra ao ambony, tantano koa ny dia,
omeo fo iray manaja, omeo olon-tena tia.
Manaiky ny hizoga, ny ràtran’ny aiko,
hilanja ihany koa, ny fery entin-tsaiko.
Ry lanitra ao ambony, jereo ny fireneko!
Avelao hitony, fa io no fahalemeko.
Farito dieny izao, ny lalana holalovany,
sorito eo aminao, ny dingana horatovany,
izay hilàny ahy, hiara-dia aminy,
hanàla ny ahiahy, hamafa ny tomaniny.
Ry lanitra ao ambony, io ny tanindrazako!
Io re mba jereo, fa tokan’ny fitiavako.
Ka hitalahoako, raha toa ka sitrakao,
alao ilavitra azy, ny fiainan-draorao.
Ry lanitra ao ambony, mba henoy ihany,
ny vavaky ny foko, na tsy hisy valiny aza.
Fa izaho mino, fa indray andro any,
ny fireneko, hahita ny mazava.
Ka mbola hitalahoako, tsy handreraka ahy akory,
raha sitrakao dia hiaretako, hiaretako tory.
Hivavahako isak’alina, isan’andro mihitsy aza,
sanatria re ry lanitra, ny fireneko hanata-bava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tereo-asaivo-avoakany-avy-hatrany | TEREO, ASAIVO AVOAKANY AVY HATRANY… | RRAG | TEREO, ASAIVO AVOAKANY AVY HATRANY…
Misotasota indray, minia ny mandrendrika,
ny firenena tokako, ireto fahavalony.
Mananika ny vohitra, sady toa manenjika,
‘reo gasy toa ahy, eto amin’ny taniny.
Injay nanani-dapa, nanongam-panjakana,
niseho ho tompon-daka, saingy tsy nahalala,
fa ilàna feom-bahoaka, ny fitantanam-pirenena,
ilàna fo madio, feno fanetren-tena.
Indreo nanjakazaka, nanao fahirano ny harena,
ireo niseho mpanjaka, sy nanambony tena.
Nitroatra ny vahoaka, nentin’ny fony,
nandositra nirifatra, dia tsy hita teny intsony.
Ka ho anareo mpitondra, jereo ‘zahay madinika,
raha misy fanapahana, asivo dinidinika.
Fa ‘ndrao hitroatra indray, ka ho romotra amin’ny azy,
raiso toy ny tena izy izany, fa aza atao hoe vazivazy.
Ny vahoaka no manapaka, tompom-pahefana,
izy no mandatsaka, ‘zay ho mpitondra fanjakana.
Jereo hatrany ireo, raha tiana hilamina ny tany,
sao haneno: “Ilay tereo, asaivo avoakany avy hatrany”. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/firaisana-ara-nofy | FIRAISANA ARA-NOFY… | RRAG | FIRAISANA ARA-NOFY…
Nitovy tsy nisy valaka,
tsy nisy fahasamihafana,
ny nofinao sy ny azy.
Nefa!
Toeran-droa misaraka,
tsy iray tanàna,
no misy anao misy azy.
Fa nofy tokam-pototra,
toa iray sompitra,
no niara-nivahiny,
iny alina iny.
Tan’efitranonao,
sy tan’efitranony.
Firaisana ara-nofy,
mari-bolamena,
mety tsy hiofo,
raha tsara fitefena.
Na toa koa ilavitra,
tsy ho resin-kalavirana,
ka mety mbola hanavotra,
‘reo fo tsy nahita izay nangirana.
Firaisana ara-nofy,
karoham-po mitosy,
hatramin’ny tsy hita maso,
mety hisy mpiankaso.
No nampiray indray,
‘lay fitiavana efa may,
‘zay efa toa lavenona,
hatramin’ny diam-penina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-adalantsika | ‘TY HADALANTSIKA… | RRAG | ‘TY HADALANTSIKA…
Nentinao ‘ty ‘zaho,
nentinao niroso,
tan’efitranonao!
Dia maika ery nandroso,
hamihina anao,
hitady ny orokao.
Namihina ahy ianao,
namihina ahy mafy,
ka tsy hitako ny atao,
fa satriko aza koa,
nahitanao niantsampy,
namboraka tam-po,
ny fitiavanao!
‘Zay mbola velona ao,
am-ponao ao,
hatramin’izay ka hatramin’izao.
Naronjinao ‘ty ‘zaho,
hianjera am-parafara.
Nopihinao ny jiro,
sao hisy hazavana,
hanimba ny hafanana,
hanala ny tsiro,
entin-kadalana.
Nesorinao ny akanjoko!
Ny anao koa nalànao!
Tsy izany no tanjoko,
fa ny ho eo anilanao.
Ka nailiko ianao,
dia niangaviako hiala.
Ny vokatr’izao,
tsy misy mahalala.
Ka aleo hajanona eo,
‘zay zavatra niseho.
Soa fa tsy vita,
‘ty hadalantsika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maty-aho-marina | MATY AHO MARINA… | RRAG | MATY AHO MARINA…
Antoandro ity ny andro,
tapaka ny jiro,
mikatona ny trano,
ka isika roa no tao.
Maty aho,
fa ireto akanjonao,
eo mba ampidiro.
Sao ho tratram-badiko,
‘ty ‘zaho sy ianao,
manao ny tsy fanao!
Izay isam-padiko,
ny mifanadala,
noho izy tsy fatao.
Maty aho marina,
mandeha ianao mody,
fa sao hahafanina,
na hahatonga tody.
‘Ty fihaingonao,
mba halaviro ahy.
Izato bikanao,
mahabe fakam-panahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-ani-madagasikarako | HO AN’I MADAGASIKARAKO… | RRAG | HO AN’I MADAGASIKARAKO…
Ho anao ry Gasikara, tany mamiko indrindra.
Ho anao no hamafazako, izay tena tsara indrindra.
Ho anao no hitolomako, ho fanavotam-pirenena.
Ho anao ry Gasikara, hangina aho, fa mitenena!
Haringako ny mpioko, mpandravarava anao.
Potehiko ny sakana, mibahan-dalanao.
Dia ny fanafahana, no indro indray banjiniko.
Ny fandrosoanao, efa toa tsy diniko.
Hitsangana aho hiroso, hanafina kilema.
Ianao tsy maintsy handroso, tsy iandrasako ela.
Tsy maintsy mivoatra, ny fiainan’ireo vahoakanao.
Tsy maintsy mbola ho ravako, ny vesatry ny talaho.
Melohy aho, tsarao dia eo fonjao,
raha toa ka tsy vitako, ny dina izay natao.
Eo, fatory aho, ka aleo hizoga,
izay faram-besatra, mihidy ao am-ponja.
Ho an’i Madagasikarako, no hitenenako anio.
Ho anao ry nosy mamiko, ka indro tadidio.
Fa teny masina hafafy, haniry ho voa hotazana.
Hanamafy orina, anao ry tanindrazana.
Ka ho anao ry fireneko, ho anao irery ihany,
no nahasahiako nandatsaka, ity tomany,
manarona alahelo, noho ny zoganao.
Hangina aho, raha toa didianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indreo | INDREO… | RRAG | INDREO…
Indreo misento mitomany, mitsiahy ny efa lasa,
dia mandreto-manontany, ireo dingan-tsy nifafa,
izay miraikitra ao am-pon’ny vahoakanao ry nosy.
Nahatsapa fa efa voa, ka tsy sahy ny nitosy!
Ry nosy mamy, ny adinao izay tsy efa,
no niezahany nialàna, saingy indrisy!
Saingy indrisy, fa niantefa,
zary ferin’ny hadalany, nitondra tsiaro nitampify.
Ry fireneko rahoviana ihany, ilay fahafahanao no ho tonga?
Rahoviana ihany ry fireneko, sa ilàna fombafomba?
Toy ireny nentim-poko, tamin-tolona nataony,
raha niakaram-pahavalo, dia nampangiana ny raoraony.
Ry fireneko ilaiko maika, fa voazoga mafy aho.
Aza asiana hoe saika, fa iadivo dieny izao.
Eo ry nosy, nosin’ny aiko,
mba mivonona, toy ny saiko.
Indreo misaona malahelo, mitomany ny havantsika,
ireo vahoaka sesehena, noho ny ady izao vao vita.
Saingy indrisy tara loatra, ny nitoeram-pankahalàna,
maro loatra ireo maty, no ‘ty fanamparam-pahefana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mizotoa-hatrany | MIZOTOA HATRANY… | RRAG | MIZOTOA HATRANY…
Mety mafy ny ady,
‘zay hitolomanao mangina.
Tady ho tinapaka ny tady,
mihombo anaty fanahiana.
Nefa ianao mba manan-toky,
fa tsy maintsy ho tafita.
Mizotoa hatrany ianao,
fa tsy ho ela io dia vita. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rehefa-maty-aho | REHEFA MATY AHO… | RRAG | REHEFA MATY AHO…
Niadivako ny zo, hanafahako ny taniko.
Nokatsahiko ny soa, dia natolotro ny mamiko.
Nozaraiko ho an’ny Nosy, fireneko tsy hadino.
Mbola ho tafita ianao, ny foko aza mbola mino.
Nofatorako ny sedra, eny, na dia vetivety fotsiny.
Nobahanako ny setra, mba hanamaivana ny fihontsony.
Ny hakànao aina, no tanjoko ry firenena.
Ny hilaminanao saina, hiala anaty fanerena.
Rehefa maty aho, aza alevina akory,
aleo aho, amoron-dalana no hatory.
Raha toa ka tsy vitako, ny voadim-panekeko,
dia aleo ny sisin-dalana, no fasam-pahareseko.
Rehefa maty aho, aza avela handry akory,
tereo foana ny fanahiko, na hiaka sorisory,
ho tezitra aminao, ka hanampa-pahatezerana,
satria tsy efako ny voady, ka io no vidim-panenenana.
Azerao amiko, ry fireneko mamiko,
‘zay tanindrazana tsy foiko, tsy afaka ny hosoloiko.
Rehefa maty aho, dia azerao ho ahy ny tsiny.
Aza asiana indrafo, raha tsy vitako ny toky,
noraketiko an-tsoratra, voatahiry anaty boky.
Ilay diam-peniko voatokana, ho fato-maty ny fahiny!
Ka rehefa maty aho, aza atao tototany,
fa totofy akofa lo.
Satria tsy vitako ny adidy, ka aleo aho hitomany,
hatrany am-pasako any koa! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/te-hahita-anao-aho | TE HAHITA ANAO AHO… | RRAG | TE HAHITA ANAO AHO…
Isan’andro aho mitomany,
isan’ora aho manontany,
hoe:”Aiza no misy anao?”
Mba miverena dieny izao.
Te hahita anao aho!
Te hitady anao aho!
Saingy indrisy fa tsy vitako,
ny misy anao aza tsy hitako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-mba-anganongano | TSY MBA ANGANONGANO… | RRAG | TSY MBA ANGANONGANO…
Injay ‘lay feo malefaka, toa miritsoka ato anaty,
mandalo hanala vesatra, fa tsy handoro ny anaty.
Izay ‘lay hiram-pireneko, fihirako isa-maraina,
io no foto-pahendreko, noraketin’ilay saina.
Dia ‘lay sainam-pireneko, mitondra loko telo miavaka,
rarinà fotsy manodidina, sy kofehy enti-mandravaka.
Enti-manambatra ny loko, fotsy mena maitso,
‘zay fiandrihanan’ilay Nosy, Nosikely nosy maitso.
Fotsy, fahadiovam-po miray,
miendrika firaisankina.
Taratasy tsy mba may,
misy dinam-pitokiana.
Mena, rà nalatsa-pahavalo,
fandresen’ny nosy mamiko.
Zary lasa kalokalo,
‘lay hoe: “Masina ny taniko”.
Maitso, fanantenako anaty sedra,
hireharehako, ny maha ‘ngeza,
ny fototrao ry fireneko, dia ny fanavotana,
ny madinika indrindra, izay niniana nahosim-potaka.
Ho anao hatrany ry Nosy, no hitenenan’ity vavako.
Ho anao hatrany ry Nosy, no nahatonga ny fandàvako.
Handao anao irery, hisidina any ampita.
Tsy maintsy eto aho, satria mbola tsy vita,
ny adidiko aminao, na tsy nataoko velirano,
ho ataoko izany, fa tsy mba anganongano. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nangina-aho | NANGINA AHO… | RRAG | NANGINA AHO…
Nangina aho,
satria tsy nohenoinao.
Nangina aho,
tsy mba nitalaho,
satria ny hafatra nampitaiko,
tsy mba nisy valiny.
Ireo dingam-bitako,
tsy nasianao maminy.
Nangina aho,
na dia hoe tia.
Nangina aho,
nihiboka fitia,
ho ahy irery!
Nangina aho,
fa tsy nisy mba nijery.
Nangina aho,
noho ireny vita ireny.
Nangina aho,
dia mba mody tsy niteny.
Saingy ity no mba tsarovy,
fa isika tsy mitovy.
Satria ianao toa mora lao,
dia mbetika etsy fa handao.
Nangina aho,
na tsy nampanginina aza.
Nangina aho,
fa tsy mba nivazavaza.
Nefa ianao ity mahasosotra!
Nangina aho,
dia nanaikinaiki-molotra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/arahaba | ARAHABA… | RRAG | ARAHABA…
Arahaba no indro atolotra,
io no rafitry ny molotra.
Tokana fa manan-danja,
sady filoaka ny vava.
Miavaka ny andro anio!
Arahabam-po madio,
noho ‘ty fitsingerenan-taonanao,
dia ‘lay tokan-tsy nandao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sarisary | SARIN-TONGOTRA… | RRAG | SARIN-TONGOTRA…
Ry Gasikara tanindrazako, ilay akaiky ny foko.
Ianao no tena namako, ilay tsy mbola nosoloiko.
Ho anao no hitolomako, hisedraiko ireto sedra.
Ho anao no hahavelomako, raha satriko aza dia ny hateza.
Hiaro anao hatrany hatrany, amin’ny tolon’adinao.
Dia nataoko ho sarisary, sary tongotro ankavia ianao.
Ilay akaiky ny foko, miara-mitepo aminy,
ilay saika nafoiko, noho ‘reo dinga-nahafaniny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mbola-tsy-hita-hatraminizao | MBOLA TSY HITA HATRAMIN’IZAO… | RRAG | MBOLA TSY HITA HATRAMIN’IZAO…
Fitanisako eny foana, fa handroso ihany ianao,
nefa! Mandeha ‘ty ny fotoana, mbola tsy hita hatramin’izao.
Firesadresaky ny foko, fa tsy ho ela, ny fahafahanao,
saingy indrisy fa toa nofy, mbola tsy hita hatramin’izao.
Fitatatatako matetika, ny foto-pahavononanao,
saingy indrisy fa ny tetika, no mbola toa tsy hanananao.
Manjaka loatra ny hoe: “Izaho”, dia hadino ilay “Isika”,
toa isan’andro vaky izao, no efa re ny mitanisa,
izay hampandroso azy, ny isam-batan’olona.
Fa rahoviana vao hiaiky, ka hiaraka ny hitolona?
Hiaraka ny hiroso, ho an’ny firenena!
Hiaraka handroso, tsy hisy tia tena!
Fambara re matetika, ny hanasoa anao.
Saingy, efa tsara tetika, ny hanangona ny harenanao.
Dia mody mitanisa, zavatra tsy ho hefainy akory.
Ka iny dify tsy hita, raha vao ianao resi-tory.
Aiza? Aiza hatramin’izao? ‘Lay fahafaha-nambara,
fa toa fampanantenana, efa tsara rindra tsara.
Saingy indrisy, ry fireneko, mbola tsy hita,
ary ahiako, atahorako tsy ho vita.
Firesako eny, teny foana, fa ho mpandresy ianao,
nitsimbadika ny taona, fa mbola tsy hita hatramin’izao.
Ry fireneko, fa rahoviana? No hahaleo-tena ianao,
efa ela no voavina, saingy, mbola tsy hita hatramin’izao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofy-izany | NOFY IZANY… | RRAG | NOFY IZANY…
Mitamberina anio, irony tsiahy nitondra ràtra,
misavovona avokoa, ny tantara nentin-dasa,
ilay nanitatra ny fery, izay nanataka ny zaitra,
nozogainao tan-tery, na dia tsapa fa tsy laitra,
sady toa tsy zakanao, toy ny tsiny mitambesatra,
ry fireneko aoka izao, aoka izao raha tena vesatra.
Aleo lanjaiko ny fidodo, raha hamatotra anao,
fa ny hoavy, no ‘ndeha atao hiroborobo, ho an’ireo vahoakanao.
Aleo zogaiko raha mavesatra, ‘ty zoga iambozonanao,
aleo entiko sao reraka, ka tsy hahavita adidy intsony ianao.
Ry fireneko, ireo madinika, hampitao ilavidavitra!
Ireo mpitondra mba tahio, raha toa ka niezaka nanavotra,
fa azerao ho potraka eo, ireo ninia ny nandrava,
fatory mafy ihany koa, izay nanao tokim-bava.
Ka tsy nahatanteraka akory, ny dina tokana nambara,
faizo ireo hamirifiry, dia hamaizino ny anjara,
‘zay hantenainy aminao, ry fireneko Gasikara.
Alao tanteraka ny anarany, fafao anatin’ny tantara.
Ry fireneko meva indrindra, vesatra ho ahy ny mangina,
raha mahatsapa fa safidy, no namotehana ny dina,
ilay nifanaovanao sonia, tamin’ny razambe fahiny.
Saingy indrisy, ry fireneko, fa nofy izany ankehitriny! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ndre | ‘NDRE…! | RRAG | ‘NDRE…!
‘Ndre ‘ty raho-mitatao, mitondra alahelo!
Nanafina ny marina, nanorina tsiambaratelo.
Tantaram-pirenena, tsy hita hofotorana,
tsy vitan’ny nafenina, fa ihany koa nodorana.
‘Ndre ‘ty ranomaso, nanafina hatezerana,
nirotsaka tsy fidiny, noho ny fandeferana!
Fa raha ny zoga nentinao, ry fireneko tena vesatra,
nahay nandefitra ianao, sady nanam-paharetana.
‘Ndre ireto maso, mitily lavitra ny tiana!
Nahatsapa fo miankaso, saingy indrisy fa variana.
Dia nanaiky ny ho resy, tsy nitolona akory,
tsy niezaka ny niady, ny hakàna ny zony.
‘Ndre ireto ankizy maro, nanantena fahafahana!
Nofonjaim-pahavalo, dia avy eo natosi-tanana.
Tsy nisy hafa mba nijery, nitily maso azy ireo.
Ankehitriny misitery, izay zavatra niseho.
Injay misioka mangina, misaona am-po milefaka!
Tsy ny lavitra olon-tiana, no tena tsapany ho vesatra.
Fa ny mahita firenena, noravan’ny mpanjanataniny,
raha ny fery nozakaina, tsy voavidin’ny tomaniny.
‘Ndre ‘ty fo nanaiky resy, ho fanavotam-pirenena!
Saingy indrisy nisy fetsy, tena olona tia tena.
Ninia nanakana ny tolona, niaretana aman-taona!
Novonoiny ireo olona, dia ny Gasy no nisaona.
‘Ndre ‘ty fery nialin’andro, tao am-po tsy mbola zatra!
Nanaron-taratra masoandro, ka nanitatra ny ràtra.
Dia noho ny firenena, no nanaovany ireny!
Ho an’ny firenena, no hijoroany anio hiteny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/io-ny-zanako | IO NY ZANAKO… | RRAG | IO NY ZANAKO…
Misavovona ao an-tsaiko, ry firenena tiako indrindra,
‘reo anatrao ‘zay nolalaiko, zary anatra mifindra.
Lova tokan’ny fitiavako, tsy mba sori-bolamena,
fa mba hoentiko hanasoavako, hanasoavam-pirenena.
Mitambesatra ao am-poko, ry tanindraza-nipoirako,
ny ady fitoloman-tsoa, nahitako ny mangirako.
Diary arakitro ho tantara, hosoratako amin’ny rà.
Diam-penina voazara, mahazo hatramin’ny fanahy.
Mitotongana amin’ny aiko, ratsy fatotra ny tsiny.
Aza hamatoran-tsombin’ny aiko, fa izy mbola mpivahiny.
Ry fireneko aleo zakaiko, hozakaiko ho ahy irery,
fa tsy ho tantin’ny saiko, raha izy koa ny ho voatery.
Ho voatery hizaka, ny hadalana izay niniako,
fantatra handràtra, nefa mbola fananiako.
Ry fireneko aoka re, aoka hilamina ny diany,
aoka izy hisafidy, izay lalana mba tiany.
Ataovy ho reharehany, ny tolon-draza-nifanesy,
farito ho fitandremany, aza avela ny ho lefy.
Aza avela halevin-taona, ny tantaram-pahafahana,
aza avela rehefa hisaona, ‘zay vao hisy famantarana.
Ry fireneko, reraka aho, nefa tsy hilavo lefona,
reraka aho ry fireneko, reraka ny mievina,
mitsiaro am-po ireo, zanakao resin’ny ady,
reraka aho, tena reraka sahady.
Ka io ny zanako jereo, omeo ana-pahendrena,
io izy dia tereo, hanao adidim-pirenena,
rehefa vonona hitraka, rehefa vonona hisedra,
raha tianao ny ho tompon-daka, amin’izato ady ‘ngeza. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anao-irery | HO ANAO IRERY… | RRAG | HO ANAO IRERY…
Anio tsy maintsy aborako,
ny tahirim-poko.
Anio no atorako,
ny fitiavan-tokan-doko.
‘Lay tiako atolotra ho anao,
eo mba ambarao,
raha toa ka sitrakao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tanindrazana | TANINDRAZANA… | RRAG | TANINDRAZANA…
Lafovidy ianao ry tokana, tsy amidy ihany koa.
Mety hisy ny mpisompatra, fa toniako ho anao ny fo.
Ry tanindrazana malala, tokan’ny aiko eto an-tany.
Tsy asiako salasala, ny hiady ho anao hatrany hatrany.
Volamenako ianao, aina tsy manam-paharoa.
Tsy mba tia mizahozaho, miady foana ho an’ny fo.
Firaisankina no manambatra, rafi-tany tsy hita soritra.
Fo mitia indray mitambatra, no injao miaraka manosika,
ny fahavalonao misetra, mikiry ny hanimba anao.
Dia minia manao fihetsika, mety hahatezitra ny fonao.
Ianao ry tanindrazana, no fihavanana mivaingana,
tsy fitara-mora vaky, na koa fo iray manamaivana,
ny fitiavana madio, rafitr’asanao ihany.
Saingy indrisy ianao anio, fa miaina anatin’ny tomany.
May ny ala maitsonao, ny lapanao efa nodorany.
Tsy hita ireo mahery fonao, ny sasany ‘lay nofatorany.
Fa hatahorany hitroatra, handrava tetik’ady vitany.
Dia nataony tsara raoka, tsy nasiany sisasisany.
Tanindrazana malala, sarobidy loatra ianao.
Taminao ny hafanana, nentim-po hatramin’izao.
Handresena fahavalo, izay nandrava fihavanana,
ireo no isan’ny dahalo, tsy mba namana, tsy mba namana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lahatra-sa-tendry | LAHATRA SA TENDRY? | RRAG | LAHATRA SA TENDRY?
Roa taona lasa izay, izaho sy ianao nifankatia!
Roa taona lasa izay, no nivoady hiara-dia!
Dia nivadika ny ora, nisosasosa ny fotoana,
niroso moramora, dia tinapitra ny taona.
Teny isika, samy tsy nisy nahalala,
samy mbola tia, samy mbola adaladala.
Saingy indrisy, fa nisy rivo-bao nandalo,
nisy mpivahiny, ren’ny fo injay nikalo,
nanaitaitra maso anao, ka niova ny fijery,
ianao nandeha nandao, izaho tavela irery.
Mizoga ràtram-po, milanja esoeson’ny hafa,
ny anao ny fitia, toa efa tsaratsara fafa.
Ka lahatra sa tendry, ity mianjera ho ahy?
Lahatra sa tendry, ity toa nampiahiahy?
Zary nanovaova maso, anao hitazana hafahafa,
sa ny lasa vita mihitsy, no minia ny mandràtra?
Roa taona lasa izay, toa nifankatia fatratra,
ny foko sy ny anao, nidinà ny hiara-sambatra.
Kinanjo! Ny pejy no nivadika, namadika tantara,
lohateny iray vaovao, no sora-niafara,
namaramarana ny vina, ‘zay mbola tsy tafita.
Lasa ianao, nanjavona tsy hita,
nanaraka mpandalo, toy ny tsipolitra,
dia izaho aty, mihazonazo-molotra,
diso fanantenana, tamin’ny toetranao,
variana ihany koa, nahita anao nandao.
Ka iza no ankahalaiko, ny foko sa ny anao?
Sa ny lahatra mihitsy, no fototry izao?
Ny tendry anefa ve, tsy manan-kolanjaina?
Raha toa ka isan’ny nitondra, ny herin’ity taraina?
Ka lahatra sa tendry, no tsy nanao ny asany?
Lahatra sa tendry, no antony hilefasany?
Ka nahatonga azy, nanova ny fijery,
ka namela ahy, hiadiady irery. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-an-tratrany-ianao | TENY AN-TRATRANY IANAO… | RRAG | TENY AN-TRATRANY IANAO…
Niova ny dina, misaona ny foko,
fa ianao ‘lay tiana, no tsy maintsy hafoiko.
Ka indro, toa embona sisa, no mamatotra mafy,
ny dingan-tsy vita, mamery ao anaty.
Teny an-tratrany ianao, no tsinjoko omaly,
tsy nahita ahy akory, sady toa falifaly.
Varia-misioka, nefa mbola tsy tafita,
dia maika mihitsy, ny hamita ny antsika.
Teny an-tratrany ianao, no tazako omaly,
tsy mba tsapanao, ity foko izay mijaly.
Toa mba nanantena, fa ilay fifanekena,
izay vita voady, dia fatoran-tady,
tsy mety vahàna, na koa hamahàna.
Teny an-tratrany ianao, no reko niteny,
fa hoe tsy nahajery, ny tsiky izay voarakitra.
Voarakitry ny masony, ‘zay volamem-pijery,
manganohano fotsiny, miandry fo handrakotra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aty-aho | ATY AHO… | RRAG | ATY AHO…
Aty aho!
Ilavitra anareo,
mahatsiaro ilay tanàna,
niaingako teo.
Te mba hiarahaba,
hoe:”Mba manahoana?”
Ampitain-davitra,
noho isika tsy afa-mihaona.
Aty aho!
Manembona ny any.
Aty aho,
toa velom-panontany,
izay mety hiseho any.
Toa efa tsy mahandry,
ny hialako ety,
hitady ilay fitia,
eo anoloanareo.
Aty aho!
Toa vaky mitomany.
Mitaintain-dava,
manahy ny tsy hahita,
ilay tanàna mamy,
ilavitra tsy hita,
filalaovantsika.
Ilay hany nampitambatra,
ireo fo nitritra,
mba hiara-kosambatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/be-marenina | BE MARENINA… | RRAG | BE MARENINA…
Fanjakana be marenina, tsy mba mihaino feom-bahoaka.
Fanjakana bodongerona, sendra sedra dia mitsoaka.
Manao tsindrio fa lavo, ny madinika sy osa,
manataka ny gasy, manabe ny trosa.
Mivarotra ny harena, tokam-pirenena,
fanjakan’adala, tsy ekena, tsy ekena!
Fanjakana be marenina, mitazam-potsiny ny voina.
Fanjakana toa tsy misy, mendrika ny hosoloina.
Manavesatra ny zoga, ‘zay tsy zakan’ny madinika,
toa manaonao foana, tsy mba niandry, nifampidinika.
Dia mandroba ny tantsaha, ‘zay sisa hany fanafody,
fanjakana ratsy fanahy, miendrika ny hozeran-tody. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rafiko | RAFIKO. | RRAG | RAFIKO.
Izy ilay tinazako, namihina anao!
Izy ilay tratrako, teo an-tratranao!
Fony ianao, ‘lay nankafỳ mafy,
tsy nety niala teo, toy ny tsy ho faty.
Izy ilay tsinjoko, nanoroka ny molotrao.
Marary izany, fa ny indroko,
dia ny mbola mety handraisako,
ny fitiavanao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maty-ilay-mpangataka | MATY ILAY MPANGATAKA… | RRAG | MATY ILAY MPANGATAKA…
Omaly hariva, ilay fodian’ny masoandro,
no maty ilay mpangataka, ilay mpitanintanin’andro,
mitady izay mba ho haniny, sy ‘zay azony ho hateliny,
nifarana hatreo, ny ràtra zogam-periny.
Maty ilay mpangataka, tao atsinanan-trano.
Maty tamoron-dalana, fa tsy mba tra-drano!
Tsy nisy mpitomany, fa avy dia nalevina.
Asa any ho any, raha misy mba mievina!
Rafitra hazo boboka, no rafi-batapaty,
fantsika harafesina, no mitàna azy.
Lamba rovidrovitra, vita fato-maty,
no lamba nandrakofana, nandrakofana azy.
Vitsy ny mpandevina, fa hamaroan’ny alika,
telo lahy fotsiny, ireo mpiara-monina hita.
Tsy nisy na iray, mpivavaka mba tazana,
fa avy ery ilavitra, no hita niarangarana.
Voasitrika ny faty, ny alika no nanilika,
ireo ranon-tany, mba afaka hanadifotra,
ilay vata boboka, vao voatsindry dia efa repotra.
Raha niaina ny maty, angamba efa sempotra!
Vita ny fandevenana, lasa ny mpandevina,
ny alika no tavela, milahatra matevina,
dia miara-mitomany, mitomany valala!
Ny iray tanàna anefa, ninia ny tsy nahalala,
fa mpiara-monina amin’ity lavom-pasana.
Ny sasany aza, efa ela, no nivavaka azy ho lasana.
Maty ilay mpangataka, misaona ny alika,
ny mpiara-belona, mody tsy nahita,
dia nifetibe, nanao izay mba vitany.
Nefa, mety hianjera aminy, ny tody izay tsy hitany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rovi-boridambako | ROVI-BORO-DAMBAKO… | RRAG | ROVI-BORO-DAMBAKO…
Na tsy misy aza hotafiana,
anatin’ity alina,
izay alina mangina,
mampisento lalina.
Dia tsy hiangavy anao aho,
na ihany koa hitalaho,
ka hiladilady eo aminao,
noho ‘ty loza mifamaho.
Na tsy hisy aza hanina,
azo atao tohan’aina.
Dia ny fo izay manina,
tsy havela hiasa saina,
hitsiaro anao indray,
sao mainka indray ho may.
Ka ny rovi-boro-dambako,
no ataoko fitafiana.
Ny vidin-kasasarako,
no hikarohako ‘zay ho haniko.
Fa tsy mila fanampiana,
mety hivadika ho tomaniko.
Ny rovi-boro-dambako,
izay sisan-jaoridira,
izay eo an-tanako,
fa tsy hilàna fanampiana,
no entiko misedra,
izay hatsiaka mamanala.
Ka ialàko ilavitra,
ny hiantso anao malala. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-ilan-kapako | NY ILAN-KAPAKO… | RRAG | NY ILAN-KAPAKO…
Foiny isika teny an’ala,
‘lay ianao nandray ny tanako,
no tsaroako niala,
noho ny hovitry ny tratrako,
ilay ilan-kapa,
vao novidiko omaly.
Tsaroako tamin’iny,
ianao ilay nikiry,
hanoroka ny molotro,
nefa, nihovitra ny tongotro.
Ary hadino teo,
ilay kapako vaovao!
Ilay ilan-kapako iny,
no tsiaro ilay fahiny,
nampifamatotra antsika,
tan-tolon’ady mangatsiaka!
Ka ‘lay ilan-kapako iny,
no nahafantarako fitia,
mpitoetra tsy vahiny,
voafonja am-po mirojo vy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-loatra | TIAKO LOATRA… | RRAG | TIAKO LOATRA…
Tsy sahiko ampijaliana.
Tsy sahiko ampitomaniana.
Tiako loatra mantsy ianao,
ka tsy ho avelako hitalaho. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/kitikitika | KITIKITIKA… | RRAG | KITIKITIKA…
Iny ilay mba nandry, nakanaka aina,
iny aho no nandre, tanana nisafo,
ny foko re nidoboka, resin’ny taintaina,
toy ny hoe natanika, teo afovoan’afo.
Iny ianao no reko, nanararao-namaha,
namaha ny bokotra, nanidy ny akanjoko.
Nanipaka ny zipo, nefa aho tsy sahy,
ka avy hatrany ianao naronjiko.
Iny ianao no reko, nisintona nanala,
nanala ny fehin-kibo, namatotra ny andilako.
Tsapatsapako ihany, fa tsy nisalasala,
na menatra akory, ny hatory teo anilako.
Dia ‘njay, nanorokoroka ahy, tsy nisy ahiahy!
Iny aho ‘lay mba nitoetra, nandamindamin-tsaina!
Iny no ninia, nitolona ahy izato ianao.
Reko ankehitriny, fa mbola fery an’aina,
irony kitikitika, niarahana nanao.
Iny aho ‘lay nieson-tory, tsy nahare na inona?
Iny no nanoroka, ny molotro ianao.
Ankehitriny ireny, novidiko ohatrinona?
Satria amin’izao, lavitra anao.
Ilay kitikitika, nitondra fahotana,
narahan’orokoroka, tanaty hadalana,
no nampitoetra, ny zaza an-kibonao,
izao anefa, ny vokatr’ireo natao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nailikao | NAILIKAO… | RRAG | NAILIKAO…
Noraisiko mora,
ireo rantsan-tananao.
Dia mba nofihiniko!
Nofihiniko mafy,
nataoko teo an-tratrako.
Hiheno ny fitepo!
Fitepon’ny foko,
izay ao anatiko ao.
Nampanatoniko mora,
ny molotrao roa,
ny molotro hanoroka.
Satria mba noheveriko,
fa babo toy ny ahy.
Izato fonao!
Saingy indrisy!
Indrisy fa toa eso,
naraham-pandatsana,
sy nailikao,
‘ty fitiavan’olo-adala.
Mba nampiantrano sento,
noho ny fiheverana,
fa ianao no fanaperana.
Tokan’eto an-tany,
lavitra tomany!
Mba nalefako ny tanako,
ny hisafosafo anao.
Nakomboko ny vavako,
raha vao niteny ianao.
Nefa, tsy nahazoako sitraka,
fa fanilihana avy hatrany.
Aoka e! Tena aoka ihany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sori-dalana-vaovao | SORI-DALANA VAOVAO… | RRAG | SORI-DALANA VAOVAO…
Ry mpitondra fanjakana, mijaly loatra ‘zahay vahoaka.
Ny anareo ve no hadalana, dia ny vilany ‘ndray hapoaka?
Tsy hinananay madinika, sisasisa omenareo.
Ry mpitondra fanjakana, ‘zahay vahoaka mba jereo.
Ny kibonay ‘zao noana, te mba hinana ‘zay ambiny.
Nefa dia! Toy izao foana, tsy maintsy mila tambiny,
‘ty fizaràna sisa, aminay madinika,
ka tsy minana izahay, raha mikiry tsy midinika.
Ry mpitondra fanjakana, sao lahy ka diso mafy loatra,
ity kapoka atao, anaty eso sy hararaotra?
Ka hanangonana hatrany, ny hatsembohanay mahantra.
Miangatra e! Tena miangatra ny lanitra.
Fa ianareo tsy misasatra, mihinana ny nofony,
izahay aty an-tatatra, zara raha mahazo potipotiny.
Na koa mahita tsaratsara, fa tsy misy izay mba hena!
Ianareo anefa toa, any an-dafy no miantsena.
Fa aiza izay mba fitoviana, hoe niadianareo teo?
Aiza marina raha misy, maninona ary no tsy haseho?
Toa efa ela no niandrasana, niandrasanay izany.
Ento aty, fa ataonay lamba, famafana tomany!
Ry mpitondra, habobo lava, no afafy anay vahoaka!
Ianareo no mila vola, dia izahay no, fafazan-tsisa toaka,
hanamamoana ho tampona, tsy hanana hery enti-miady.
Leo ‘zahay, tena leo, ka aleo tapahana ny tady,
mifamatotra amintsika, raha toa ‘nareo ka tsy hahavita,
hanori-dalana vaovao, mba hahafahanay miampita. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/noraisiko | NORAISIKO… | RRAG | NORAISIKO…
Noraisin’ireto tanako,
‘ty tanana malefaky ny sasa-lambanao.
K’injay fa nofihiniko,
notanako mafy tsy hiala toy izao.
Indro nosakanako ny taratra hazavana,
mitinarataratra ny safosafo atolotro!
‘Njay koa ‘ty hadalana,
filàna tsy voatohitro!
Soa fa nikorontana ny akoho tandrefan-trano,
ka mba nanaitra ahy.
Marina, raha tsy saika, niditra angano,
noho ‘ty fakam-panahy!
Noraisiko ny lamba,
narakotro ho anao.
Nailikao, angamba,
tsy azoazonao,
fa lamba voroborotra,
tsy mendrika hatafy.
Efa rovidrovitra,
mitondra hatsiaka anaty.
Nojinerenao ny masoko,
naondrikao ny loha.
Fa fantatrao ny ankasoko,
‘zay mandràtra fo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/bitsika | BITSIKA… | RRAG | BITSIKA…
Mitsoka vao maraina, ny rivo-manitr’ala,
ny zavona misava, misintaka miala.
Mitinaratra mangina, ny taratry ny masoandro,
mibitsika amin’ny tiana, toa ho efa ho isan’andro.
‘Lay bitsika fitia, novinakin’ny fo.
Injay! Injay fa reko, reko toa misafo,
misafon’ny hakanto, hakanton’ny fitia.
Manarom-po roa, izay miara-dia.
‘Lay bitsika mandalo, mandrava faniriana,
no lasana nikalo, raha vao rava vina.
Dia lasana akom-po, mitoetra ho amboara.
Voarakitra ho boky, voasoratra ho tantara.
‘Lay bitsika mangina, nahatonga fo nisaona,
no nivadi-bolamena, raha nivadika ‘ty taona.
Ka zary toa firavaka, mandravaka fitia.
Tsy ho mpandrava intsony, eny sanatria!
Ireo ilay hoe bitsika, nahay nifampitantana,
nandrafitra akany, ho akanim-pahasambarana.
Tsy ho lefin’ny adiady, mety hinia hisedra,
fa ho bitsika iray, farany ‘zay ‘ngeza. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/adinonao-tanteraka | HADINONAO TANTERAKA. | RRAG | HADINONAO TANTERAKA.
Indrisy fa efa vovoka,
indaosina tadio,
‘lay vao niantomboka,
‘zay rava sahady anio.
Ka hadinonao tanteraka,
hatramin’ny fisiako.
Fitia ‘ray mivoreraka,
no navelanao tafiako.
Indrisy sisasisa,
tsy mety atao tsiaro.
Fitiavana mangatsiaka,
ninianao nafangaro!
No injay navelanao,
ho lova holovaiko.
Nefa indrisy, fa tsy fantatrao,
hoe:”Mety hanala ny aiko”,
ilay fandaozanao tsy nahy,
kinanjo! Nandefy ny fanahy.
Hadinonao tanteraka aho,
sa kosa efa lao?
Ny mahita ahy,
izato masonao!
Ka aleon’ny fo nandao,
nitady iray vaovao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iza-ary-aho | IZA ARY AHO? | RRAG | IZA ARY AHO?
Tso-piaina tsy mba manana, harena mampiriaria,
voro-damba no fitafy, vorotra “fripérie”.
Bolongan-tany tsara tovana, no narafitra ho fonenana.
Hazo boboka efa lozotra, tsy mety angamba ny hitehenana.
Iza ary aho? Zana-dambo toa tantsaha,
miarin-doha, raha sendra lavo.
Tsy mba tia miahiahy,
raha mikiry mianika avo.
Zana-borondolo ihany, tsy mba manam-peo manga.
Tena zanatany, tena zanakao ry Moramanga.
Tsy mba manam-pahefana, entina miziriziry,
fa miasa aho vao homana, misasatra eny ka mikiry.
Tsy manaiky resin-tolona, raha tsy mbola vaky ady.
Matoky ny fon’olona, miditra eo am-bavahady.
Mankato raha toa mahatsapa, fa hahatsara ny paika.
Manao soa, tsy mila valiny, na dia tan-tsipaipaika.
Iza ary aho? ‘Lay maditrakelin-dReny,
mifamaly rehefa tezitra.
Avy eo mangina tsy miteny,
mitomany sy mihevitra,
fa manana ny rariny, manana ny mariny,
satria zazazaza ihany.
Iza ary aho? Tantely nefa toa tsy mamy,
sira tsy masira koa.
Tsy mba vokatry ny tany,
fa voary iray, ‘zay voka-po.
Ka iza ary aho, raha mba fantatrao? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fasana-voaloha | FASANA VOALOHA… | RRAG | FASANA VOALOHA…
Ry olo-nofinidy, tsy manam-paharoa,
ianao no safidy, fasana voaloha…
Fasako iray, mamatotra ny saiko,
ho mandrakizay, mandrapiala ny aiko.
Ny lahatra no fototra, nahatonga anao.
Ny tendry no nandrafitra, izay vao nisy ianao.
Ny anjara kosa, no isan’ny mpandalotra.
Ianao ry ‘lay fitiavako, no ataoko tsara fatotra!
Hamatotra ny foko, amin’ny fo ‘ray tia.
Hanaiky ny hifamatotra, hanaiky ny hiara-dia.
Ka tsy mba hivadika, ny dina hifanaovana.
Tsy hanao ny akaniko, ho akany filalaovana!
Ry olon’ny fitiavako, nanaiky am-po madio.
Tsarovy sy araketo, ho tsiahy ny anio,
raha toa aho ka sendra, lasan’ilay faharoa.
Ataovy an-tsaina foana, fa ianao no ilay voaloha…!
Raketo hitoetra, an-tsangambatom-poko,
‘lay voady tsisy fetra, fa ianao tsy ho hafoiko,
na inona hahamafy, ny sedra hitolomako?
Dia ianao no fasako, akany fivelomako,
tsy nandao ahy, nandritra ireny ady.
Tokana namatotra, fa tsy nanapa-tady! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-mosoarako | ILAY MOSOARAKO… | RRAG | ILAY MOSOARAKO…
Ny anao toa irony lafovidy,
misolo isaky ny hampiasa.
Ny ahy tsy misy fisafidy,
fa ‘lay rakitry ny lasa.
Mbola ilay namafàko,
ny ranomason’alaheloko.
Mbola ilay nitsapako,
ny fara-lalim-periko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-alim-pahanginako | ‘LAY ALIM-PAHANGINAKO… | RRAG | ‘LAY ALIM-PAHANGINAKO…
Nosedraiko izaho irery,
na dia tomefy hirifiry,
ilay alim-pahanginako.
Nosoritiko tan-tery,
ilay laha-tsy nitsiry,
tanaty alim-pahanginako.
Nofaritako nialoha,
nosoritin’ny fo,
ho azy irery ihany,
ianao nefa indrisy!
Fa nozarainy tamin’ny tany,
dia fitiavana manify,
no sisa anjarany,
dian’ny tantarany,
raha vao lavo ianao!
‘Lay alim-pahanginako,
no tsy maintsy hifihinako,
na dia mafy sy mangidy,
mety handràtra ny tadidy,
ny nalavoanao.
‘Lay alim-pahanginako,
nanimbam-binavinako,
no hany tokana tavela,
rakitry ny ela,
raha vao nandao ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aiza-ianao | AIZA IANAO? | RRAG | AIZA IANAO?
Mangina loatra,
‘lay efitra mitokana,
raha sendra tsy eo ianao.
Injay toa re mitroatra,
‘lay foko izay nangoraka,
ny hiverenanao.
Fa aiza anefa ianao?
Fa reko mitalaho,
ilay miandry hotiavina,
ka aza mba lavina.
Raiso avy hatrany,
mba tsy hitomany.
Maizina ny efitra,
raha sendra tsy ao ianao.
Ny fo tsy mahay milefitra,
raha toa ilaozanao.
Ka aiza ianao, aiza?
Mitady mafy anao ny foko!
Maniry mafy anao ny aiko!
Fa aiza ianao, mba aiza? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eto | ETO… | RRAG | ETO…
Eto amoron-doharano,
no mitamberina ‘reo lasa,
toa mahatsiaro ireo angano,
sy ny ankaso izay nandràtra.
Mahatsiaro anao ‘lay any,
mitanisa zava-bita.
Dia mandreto-mitomany,
mijinery ny eny ampita.
Eto amorom-patana eto,
no misavovona ny tsiahy.
Dia mandraiky toa misento,
ka hontsa hatramin’ny fanahy.
Mitomany hatramin’ny volana,
‘lay hany naman’iny aliko.
Mizoga vesatry ny olana,
‘lay nandrodana ny akaniko.
Eto anoloan’ity sary,
no manoratra mangina.
Dia mahatsiaro ireo omaly,
ilay nanaovantsika dina.
Eto aho no miandry anao,
na ho ela fiverenana.
Eto aho no hitalaho,
hiandry anao ‘lay fitehenana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misy | MISY… | RRAG | MISY…
Misy any ho any,
fo mitia anao mangina.
Ka aza mitomany,
fa hoavy foana ‘lay tena tiana.
Misy any ho any,
fo maniry anao mafy.
Mandreto-mitomany,
raha sendra ianao, zava-tsy tanty.
Ireny fo ireny,
tsy tokana fa maro.
Mody tsy miteny,
fa mifangaroharo.
Dia mibitsika mangina,
manafosafo anaty nofy.
Satria ianao ‘lay tiana,
tsy ahafahany mitosy.
Misy any ho any,
fo iray ‘zay mitomany,
noho ny setrasetranao.
Ny ranomasony fafao,
hampangino koa ny fony,
amin’izay izy tony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nanofy-anao-aho | NANOFY ANAO AHO… | RRAG | NANOFY ANAO AHO…
Hisy firy toy ireny, ny alina hosedraiko?
Alim-bitsy feno nofy, fitoetranao ‘lay nolalaiko.
Nanofy anao aho, dia satriko ho teo foana,
‘lay tsikinao tanaty nofiko, satriko iny tsy ho foana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tamininy | TAMIN’INY… | RRAG | TAMIN’INY…
Nanoroka ny molotro, ianao dia injay nanosika!
Nanosika ahy hianjera, tam-parafaranao.
Nasorinao avokoa, sy novahànao ny bokotran’
ny fitafianao, ka nitolona ahy ianao.
Norovitinao ny akanjoko, ‘njay toa natsipinao!
Notsofinao ny jiro, ary avy eo natontanao.
Dia teo ilay fotoana, mamy indrindra no nanomboka,
teo ny tantara, vao tena niantomboka.
Minitra vitsy teo, indrisy! Vita ny hadalana,
ianao sy izaho tsemboka, tsemboka hafanana,
dia nisento moramora, ary nanangom-pitafiana.
Dia nanao veloma, hoe: “Veloma re ry tiana!”
Io no andro farany, nahatazanako anao,
voalohan’ny tantarako, misy diam-peninao.
Dia io ‘lay hadalana, tsy maty an’eritreritro,
manaloka isan’andro, manaloka ny efitro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-hangina-intsony-aho | TSY HANGINA INTSONY AHO… | RRAG | TSY HANGINA INTSONY AHO…
Na ho enjehina aza aho,
dia tsy maintsy haneho ny am-poko,
ka tsy hangina intsony izao,
satria ianao mbola tsy foiko.
Fa satriko ho anilako,
hofihinin’ity tanako,
miandry anao hamikitra,
miandry anao hifikitra,
ka hiondana eo an-tratrako,
hanadio ny lasako.
Dia tsy hangina intsony aho,
satria tiako raha ianao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hanitry-ny-fo | HANITRY NY FO… | RRAG | HANITRY NY FO…
Tokana ihany, ilay tadiaviko aminao.
Tsy vola, tsy harena, tsy fitia kilalao.
Fa ‘lay fitiavana miloko, fotsy miary mena.
Fitiavana madio, tsy mifangaro, fitiavan-tena.
Io no hanitra, irin’ny foko.
Any no lanitra, hany mba hinoako.
Ka eo mba atolory, ry ilay tena tiana!
Fa io no hiandrasako, io ‘lay nirina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha | RAHA… | RRAG | RAHA…
Raha hoterena, hangina ny fo, dia ‘ty no tsarovy,
fa mety hamaky loha, sy mety hoe hanody,
ny fery, modian-tsy nojerena, nefa injay manolatra,
hiandrasana ihany ve, ho vaky ny molotra?
Izay vao havela, ny hitatatata, ho ren’ny marenina,
izay mody badenin’ny ràtra tsy misy, saingy indrisy,
fa tsy ho anio, ary tsy ho ampitso, no hoavy ny nenina,
tsy izao dieny izao, dia halazo ny lisy.
Fa mbola hitampify, hihazona anao, an-joga izay tsy zaka,
ireo fery mahazatra, nafenin’ny latsa, ‘zay efa nandràtra.
Raha ho rahonana, tsy haneho ny heviny ny fo ‘ray mitia,
dia tsy hisy hitroatra ve, ireo mpifankatia?
Fa dia hilavo lefona, eo anatrehan’ny fijery tsy rariny,
dia aiza ny mariny? Aiza ny marina, sa efa levona?
Ka hany azo atao, dia ny mievina, manembona an-tsento,
sy mivetso eto, ny ferin’ny lasa, ‘zay fivimbiny an-tratra.
Nefa manitatra, ny zaitran’ny fo, mandoto ny loha,
ireny lasa ireny, ‘zay efa tsianjery, na dia misitery.
Mihazona felana, izay efa lo, toa tahirim-po,
tsy nitondra soa, fa resim-pahanginana, tsy nahità-mangirana.
Raha hogadraina, an-davaky ny haizina, ny marina efa hita,
dia rahoviana no ritra, ny loharanon’itsy fahamarinana?
Izay nanahirana, ny nitady azy, saingy zary lasa ady,
mety handrendrika aina, sy handefy koa ny saina,
‘lay fototra mihitsy, no toa indrisy dify, noheverina tsy nisy.
Raha ny fahendrena, ‘zay sisa eny an-tanana,
no hoe tsy maintsy ariana, atakalo ireo fananana,
dia angamba hanjakazaka, anaty ankasomparana,
ka ‘zay manana ihany, no mbola hiahy hanana.
Ary ny an’ireo madinika, tsy ilàna dinika,
fa alaina an-tanany, ‘zay hany mba fananany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsianjerim-pitia | TSIANJERIM-PITIA… | RRAG | TSIANJERIM-PITIA…
Tiako ianao, re isan’andro,
tsy marain-tsy hariva, tsy maty masoandro.
Tiako ianao, toa hoe: “Rotsirotsy”,
ny lokom-pitiavana, hono hoe: “Fotsy”.
Tsianjerim-pitia, re mandava-taona,
tsy fetin’ny tiana, tsy andro misaona.
Indraindray toa mankaleo, ny sofina mihaino,
mba lanjalanjao eh! Ary koa mba saino.
Fa tsy izay rehetra, tazan’ny maso,
dia lazaina ho tiana, ka hanaovan-toky,
nefa amin’ireny, misy mpiankaso,
hamingana mihitsy dia mody mitosy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-tianao | RAHA TIANAO… | RRAG | RAHA TIANAO…
Mangina toa misaona,
ny alim-piafenako.
Fery efa nilona,
no ivom-piambenako.
Raha toa ka tianao,
dia ianao ihany,
no hany fanafody,
mety hahasitrana izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny-isika | IRENY ISIKA… | RRAG | IRENY ISIKA…
Ireny isika tsy nijery, tsy nitodika nitazana,
ny lasa iray ‘zay misitery, nisy ady tena mazana.
Mbola nahiratra ihany, na dia jamba nifampitantana,
ka nahanika ny avo, vao nitady fisandratana.
Ireny isika samy tia, toa tafita ho azy teny,
mpivady anefa izao ity, manjaka loatra ny eson-teny.
Mifanozona mihitsy, mifampiantsoantso tody,
nefa indrisy, fa mbola samy olo-mody.
Ireny isika nifanoroka, teo imason’ny tsy tia,
ankehitriny isika, menatra ny hiara-dia.
Noho ny kibo entinao, vidim-pitandremana,
‘lay hadalana vita mihitsy, no any zary nanenenana.
Ireny isika notenenina, toa nilonjilonjy fotsiny,
ankehitriny efa badenina, noho ny vesatry ny fihontsony.
Dia iza ihany no melohina, fa ny hadisoana ity toa vita?
Nahoana koa no mitsara, ireto olon-tsy nahita?
Ireny isika nanao voady, velirano tamin’ny fo,
dia niniana tamin’ny fasana, fa vonona hiara-droa.
Kinanjo sedra iray tsy nahy, dia nandrava ireo dina,
indray nipimaso, dia foana koa ny vina.
Ireny isika mba niaiky, fa hisy foana mpiankaso,
mety handatsaka tomany, mety hitondra ranomaso.
Fa niniantsika ireny, tsy mba notsaroana akory,
dia navelantsika hangina, navelantsika hatory. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voady | VOADY… | RRAG | VOADY…
Teo ambonin’ny alitara, no nanekeko hitia anao!
Teo anoloan’Andriamanitra, no nanekeko ho vadinao!
Hanamafisako ‘reo toky, velirano sesehena!
Ka ny fitiavantsika, no ho amboaram-pandresena.
Ka na ho mamy na mangidy, ny lalana hizorantsika.
Dia io no safidy, iarahantsika hiampita.
Ny fahafatesana no fetra, mety hamarana izany.
Nefa diso ianao, fa fetra enti-mitoto-bovo-tany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitiavana-halatra | FITIAVANA HALATRA… | RRAG | FITIAVANA HALATRA…
Noraisiko tan-tanako,
ny sioka iray mangina ny rantsam-batanao,
ary nofandrihako,
satria noheveriko ho lasim-po vaovao.
Notsofiko ny jiro,
nakimpiko ny masoko,
toa tazako ny ivo,
ivon’ny ankasoko.
Nahidiko moramora,
ny varavaran’ny efitro,
ny latsalatsanao,
izay efa toa tsy lefitro.
Notambazanao tsiky,
nifangaro tambitamby,
ny fitiavana ‘zay nentiko.
Saingy zary nampamangy,
fa ianao dia efa dify,
raha vao nahitatra ny feriko.
Natsipiko ny akanjoko,
toa miendri-pahatezerana,
mba ho tsinapanao, kanjo!
Zary fihetsika hanenenana,
fa vao mainka nampirintona,
anao hiala ilavitra,
fa leo ny mifampisintona,
noho ny fitiavantsika halatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anilay-malalako | HO AN’ILAY MALALAKO… | RRAG | HO AN’ILAY MALALAKO…
Ho an’ilay malalako!
Ity ny taratasy, mety farany hosoratako,
mialohan’ny ialako aina, handao izato tany,
ento hampaherezana, fa aza mitomany,
fa efa izao no lahatra, izao no tendrin-tany,
ka tahirizo am-po tsy lao, fa mety mbola ho mamy.
Jereo ny zanatsika, fafao ny ranomasony,
i Dada hoe tsy eto, fa lasa any ampita,
nitady izay hahasoa, ny ankohonantsika,
dia voatery ny nandao, nandao izato taniny.
Ka noho ianareo, sy ny fony tsy mba manadino,
mbola hiverina izy, izaho hoe mbola mino.
Aza atao ambanin-javatra, ny fianarana horatoviny.
Ambarao azy fa ny lavaka, no mety ho sakan’ito tolony.
Mivavaha mafy hoe, fa i Dada hoavy eo ihany.
Na iza na iza ilaza atranga, izy hoe tsy maty izany? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eto-aho | ETO AHO… | RRAG | ETO AHO…
Eto anoloam-batam-paty,
no miondrika mangina,
misento mitomany,
mizaka zogam-pijaliana.
Lasa hono mantsy ianao,
lasana nandao,
hoy ny laha-tany,
ka tsy maintsy mitomany.
Ny ranomasoko milatsaka,
toy ny orambe matevina,
tsy mba mety ny mitsahatra,
raha teo ianao angamba nievina.
Saingy indrisy vatam-paty,
misy vata-mangatsiaka.
Injao manindrona ny anaty,
fa hifarana ny antsika.
Eto aho!
Eto anoloan’ny sarinao,
sary tapa-mijinery,
ny ranomasoko milatsaka.
Eto aho!
No manao veloma anao,
dia miteniteny irery,
malahelo tafasaraka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/akaninny-lahatra | AKANIN’NY LAHATRA… | RRAG | AKANIN’NY LAHATRA…
Tsy maintsy ho ianao, no faran’ny akany!
Tsy maintsy ianao, no fototry ny tomany!
Tsy maintsy ianao, no handrava ny efa vita!
Tsy maintsy mbola ianao, no tsy hahatafita!
Ry akanin’ny lahatra, ianao ‘lay fatoran’ito ratsy,
mamatotra ny aina, mangeja azy mafy,
mihazona azy, mba tsy ho tafita,
zaridainam-pahoriana, efa tsy voatanisa.
Ry akanin’ny lahatra, ianao ‘lay fatorana, saro-bahana.
Ianao ‘lay nanosika, fa tsy mba nitàna.
Ianao no fototry ny ratsy rehetra.
Nefa indrisy! Fa ny fahefanao, toa tsy mba nisy fetra.
Saingy ity no tsarovy, fa ny vatako no anao,
fa raha ny fanahiko, tsy mba ho azonao,
na inona hery, ampiasainao, haminganana azy?
Dia tsarovy hatrany, fa mbola vonon-kiady,
na ny mba handreseny, tsy ho handevozinao.
Hangina aho, hangina tsy hiteny, sady tsy hitalaho!
Nefa koa tandremo, ry akanin’ny lahatra.
Tandremo, fa tsy maintsy mbola hitsahatra.
Na ho ela na ho faingana, dia andriko eny foana,
na hoe hangina aza aho, tsy hidika akory hoe moana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/resitory | RESI-TORY… | RRAG | RESI-TORY…
Nangina ny fo,
tsy niteny, satria manina!
Navela hiriaria,
ny sangodim-panina.
Nisesy koa ny latsa,
ka zary nahazatra,
ny fo tsy nety tony,
nifono lonilony.
Ka na te hiarahaba,
aza, tsy mahasoka-bava.
Tsy mahateny akory,
asa, mbola resi-tory! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-ianao | TIAKO IANAO! | RRAG | TIAKO IANAO!
Mihovitra ny molotro,
maneho am-panahiana.
Mangovitra ny tongotro,
manahy ny tsy ho tiana.
Tiako loatra mantsy ianao,
asa anefa!
Fa toa tsy fantatrao,
tsy mba tsapanao akory,
ny antom-pisiako.
Nefa,
dia nesoinao,
nolatsainao mafy,
noterenao hanefa,
zavatra tsy tanty,
efa nanindrona,
nanindrona ny aty,
foiny ianao ‘lay resi-tory. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anao | HO ANAO… | RRAG | HO ANAO…
Any ianao,
fa eo tsarovy ihany,
‘lay zandrinao aty,
indrao dia mitomany!
Ka ho anao no andefasako,
ity antso ity.
Any ianao,
toa nanadino ahy aty.
Ny foko mitalaho,
mbola diso tena tia.
Miverena faingana,
fa manina anao,
ny foko mitaraina,
mitady mafy,
izay mba misy anao.
Mandefasa hafatra!
Ampitao an’itsy volana!
Na dia lavitra tsy takatra,
zarao aminy ‘zay olana.
Fa izy no hany namana,
toka-mahatokiko.
Tsy mba niravi-tanana,
hampita ny antsom-poko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tena-ianao-mihitsy | TENA IANAO MIHITSY… | RRAG | TENA IANAO MIHITSY…
Tena ianao mihitsy, ‘lay tazako omaly,
tsy nahita ahy akory, toa diso falifaly,
miramira-misakambina, izato olon-tianao,
dia sahy nanosihosy, ireo dina izay natao.
Asa, izay angamba, no hany tendrin-dahatra,
hatreo! Hatreo ny antsika, dia tsy maintsy atsahatra,
sao ho fery iray hilona, handoto rivo-pahasambarana,
dia tena hatreo! Hatreo tokoa lahy no hifarana.
Tena ianao mihitsy, ilay tazako nidola,
teny an-tratran’olon-kafa, toy irony olo-maola,
tsy mba menatra mpitazana, eny! Na dia kely ihany aza,
aleo hatreo mihitsy aloha! Ny amintsika dia ho rava,
fa sao tantara diso lava.
Fa tsy ho tantiko ny hiaina, eo anoloan-jaridaina,
izay tsy misy fitiavana, fa hany tany karakaina,
feno ahitra efa mavo, sy fela-maro efa malazo.
Tena ianao mihitsy, ilay tsinjotsinjoko iny,
efa zatrazatra ady, fa tsy mbola mpivahiny.
Miriaria fatratra, mihevitra avy dia tafita,
tsy mba mijery akory, ‘ty sedra iray tsy vita,
sarotra hiampitàna, fa tetezan-kazo boboka,
raha tsy mahay mitàna, dia mety hidaraboka.
Tena ianao mihitsy iny, na dia tsy tena tazako aza,
tsaroako, ilay volonao ‘zay lavalava.
Matetiteti-misaritaka, manaronarona ny tava,
teny ianao mihitsy iny, fa dia toa nahavaky vava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lay-tantarantsika | ‘LAY TANTARANTSIKA… | RRAG | ‘LAY TANTARANTSIKA…
Efa nalevin’ny omaly mba tsy hihiratra!
Efa natototra tsy hahita izay mangilatra !
‘Lay tantarantsika efa novonoina,
efa hatramin’ny ela no niniana nadinoina.
Indrisy fa nihiratra, nanafo indray,
nandoro ny fo, ‘lay sisa tsy nety may.
‘Lay sisa tsy mba levon’ny tantarantsika,
mbola navaingan’izato hatsiaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/akatoko | AKATOKO… | RRAG | AKATOKO…
Akatoko ny pejy, fa efa lasa ny entam-po!
Efa lasa nanavao, ny akany mba ho soa!
Satria ianao nitoetra, nanaiky ny ho anilako!
Nanaiky hizaka izay ho ràtrako, nanaiky hilanja ny fijaliako.
Akatoko ny pejy, hofaranako eto ny tantara!
Na ho tsara, na ho ratsy fiafara!
Fa efa betsaka ny mamy, nozaraiko ho anareo!
Aza tia tena loatra, fa ny hafa koa re mba jereo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vavahady-tokana | VAVAHADY TOKANA… | RRAG | VAVAHADY TOKANA…
Varavaran-tokana, no nidirako tao!
Fanalahidy tokana, no nanokafako, ny fonao.
Nahafahako nandroso, tsy nisy fihafahafana.
Nahafahako niroso, na dia sedra iray malama,
mety handrendrika ahy, ny fitiavanao!
Dia ny foko efa adala, mila anao, mila anao.
Vavahady tokana, ilay nakaratoko vao niditra.
Fanalahidy tokana, dia ‘lay very tsy tadidy,
fony aho niroso niditra, namonjy ny efitra.
Efitry ny fitiavanao, izay tena lafovidy!
Vavahady iray manokana, natokanao ho ahy irery,
misy mpialona mitazana, misy mpifosa iray mijery.
Fa tsy hataoko hampihemotra, ny fo hanatona anao.
Maika aho! Maika mafy! Faly loatra hahitanao.
Ny vavahady tokam-poko, dia ‘lay fitiavana tsy miova.
Ny fitiavan-tokan-doko, natao ho anao ilay rova,
izay najarin’ny nahary, fa natokana ho ahy.
Tsara voatra, tsara jary, manana halemem-panahy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aritra | ARITRA… | RRAG | ARITRA…
Niaritra aho satria, nihevitra ho tiana,
saingy indrisy, fa zary nahavariana,
ilay fandaozanao, tsy nisy mba veloma,
toy ny, nifono raorao, nahatonga fo nisaona.
Miaritra aho satria, diso tianao!
Miandry ilay fitia, fitia izay nandao,
ilay akanim-poko, tsy mbola nosoloiko.
Ny endrikao miserana, toa tsy mbola foiko!
Miaritra aho fa tia, na aza, hitsahinao!
Izay no nahatonga, ny foko tsy hitalaho.
Nefa, tsy nanalavi-maso, ilay akanintsika!
Niaritra irery, ny fidodon’ny hatsiaka.
Miaritra aho fa jamba e! Tsy misy mba mijery.
Moana hatramin’ny vavako, kanefa, miteniteny irery,
manofy anao tsy fidiny, mitroatra ny tadidiny.
Te hanadino anao, fa saingy misy vidiny.
Hiaritra aho satria, misy fanantenana,
reko injay misafo, ny entam-poko leo mitroatra.
Injany, mitondra hafanana,
tsinapako manafy, mandefy ny hararaotra.
Hiaritra aho satria, ianao ihany angamba,
no hany tokam-poko, sy hany nahajamba,
‘ty masoko nijery, ninia nitia anao.
Na dia nivadika, nivadika ho talaho! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/-13370 | …………………… | RRAG | Manjombina maloka, ny andron’ny fo,
fa ravan’ny lahatra, ‘lay hoe hiara-droa.
Nazeran’ny vintana, ny fitia tsara voly,
nahintsan’ny tendry, mba tsy hamony.
Nisintonin’ny fasana, ilay nofinidy.
Ny ho faty ve moa, iza no hisafidy?
Tsy satry aza moa, hiara-dia eny foana?
Nefa indrisy anio, ny fo dia hisaona.
Ka ora-mijija, no harotsaky ny tava,
teny mandràtra, no mety haloakan’ny vava,
fa hoe dia nahoana, ry lanitra mpiangatra?
Nahoana no ampahoriana, tsy avela ho sambatra?
Manavakavaka loatra, ny vintam-boatendry.
Ny laha-nianteherana, indray no mikinendry!
Mikendry ny fo, hianjera any an-davaka.
Leo aho ny miady fa mba aiza, izay valim-bavaka?
Ry fahafatesana, fa dia nahoana sahady,
no dia finganinao, ity mafy ady?
Mieza-manorina, sy mitraotra amin’ny fiainana,
dia indrisy, ampitondrainao izao fanaintaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/daliah | “DALIAH”… | RRAG | “DALIAH”…
Tsara felana ny raozy, tsara fototra ny lisy,
tokam-piaina raha ny vero, ny tatamo efa vitsy.
Fa ny “daliah” kosa, mamelombelona ny aina,
manafo mora ny herin-tsaina, hifohazan’ny maraina.
Manga felan’izy anefa, fotsy hoditra fitafy,
maitso ravina tanora, toa ela fiaina vao maty.
Toy izany ilay fitia, miboiboika ato anaty,
fahakely dia nitsiry, hitsiry foana mandramaty.
Mafy fototra ny paiso, tsara fihaingo raha mamony,
ratsy tototra ny lasa, mety handràtra fo tsy tony.
Fa ny “daliah” kosa, dia namerina namafy,
ilay fitia tokan-doko, zary efa matimaty,
tsy nananam-piry intsony, zary lasa lonilony,
nahatonga anao, nahatonga anao tsy hitony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izay-tia-no-adala | IZAY TIA NO ADALA… | RRAG | IZAY TIA NO ADALA…
Aza tsaraina, ny foko fa adala,
efa tsy tiana, mbola tsy miala,
efa atositosika, tsy hisy mpijery,
nefa mbola ianao, dia ianao irery!
No indray fitanisany, fanehon’ny vava,
fitia nahadrodroka, tsy tiana ho rava.
Izay tia no adala, ka tsy hahalala,
ny fery hozakaina, mety hanafaka ny aina.
Izay tia no adala, ka tsy hahafoy ny hiala,
na dia ho ferinaina, sy aretin-tsaina!
Aza terena, ny foko hankahala,
fo ankiray, antsoiko malala!
Hamoizako ny aiko, raha toa ka ilaina,
hanereko ny saiko, mba tsy hitaraina.
Aza bodoana, terena hitia,
terena hankahala, olona tia.
Aza esoina, raha sendra mianjera,
ilay fitia tena izy, tsy notinerena.
Izay tia no adala, tsy mihevitra intsony,
fon’olon-kafa, mitondra lonilony.
Satria tokana, ny lokom-pitiavana,
ka tokana ihany, ny olona tiavina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/foiny-ianao-vao-hitako | FONY IANAO VAO HITAKO… | RRAG | FONY IANAO VAO HITAKO…
Fony ianao vao hitako, dia tiako sahady,
satriko isika, ho lasa mpivady!
Saingy indrisy anefa, fa ny nofinofy,
dia toy ny tosy omaly, ka mety ho mora hiofo.
Fony aho nahitanao, dia tsy nahajeri-maso!
Anio anefa ireny, toa miendrika ankaso,
satria ianao nandao, fa zary leo nionona,
ka nila ho isan’andro, no injao nimonomonona.
Fony ianao tinazako, niserana nandalo,
dia reko nivetso, ny foko ka nikalo,
mba hampivily ny tsikinao, hierika aty amiko,
ireny rehetra ireny, dia zary tsiahy tsy tantiko.
Tiako hofafàna, nefa misy anao!
Tiako hosasàna, nefa tokinao!
Tiako horavàna, ireo najarinao!
Tiako hialàna, fa loza mitatao!
Fony aho nitili-maso, anao ‘lay namindra,
dia reko koa ny foko, reko toa nifindra,
nanaraka ny dia, izay nolalovanao.
Nanaiky ilay fitia, tokim-bavanao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mba-hirotsaka-koa-aho | MBA HIROTSAKA KOA AHO…! | RRAG | MBA HIROTSAKA KOA AHO…!
Vitan’irony ve dia tsy ho vitan’ialahy?
Hoy ny saiko, mandreby fanahy.
Taitra ny foko, dia nikiry nitroatra:
“Hirotsaka aho, hanasoa vahoaka!”
Ny tetik’asa tsy lainga, fa mbola tsy misy,
ny zava-bita, tsy nahefa na dia mba vitsy,
fa ny hambom-po, no manosika ahy hiroso.
Fokontany aza tsy hita, ka firenena no haroso?
Ny mpahalala koa, toa tena mbola vitsy.
Ny mpifanandrina raha teo, raha vava tsy hitsitsy.
Mba hirotsaka koa aho e! Tsy ahoako izany.
Amin’izay mba malaza, na dia indray andro ihany.
Fa ‘ty vola hirotsahana e! Aiza no hahita?
Ny trosa omaly aza, tena mbola tsy vita.
Efa hoavy hitaky eo izao, ingahy Randria,
marina mafy raha, tsy ho loza ity!
Mba hirotsaka koa aho, ho hitam-bahoaka.
Raha resaka asa a! Izaho tsy mitsoaka,
fa kosa ‘ty fingana, ho ataon’ilerony,
no tena tsy ho lanin’ny aty vavony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/safidy-sa-lahatra | SAFIDY SA LAHATRA? | RRAG | SAFIDY SA LAHATRA?
Indro tokoa fa dia vaky ny loha.
Ny fitiavana ve mba safidin’ny fo?
Sa lahatra ihany tsy azo amaharana?
Dia mangina ka miaiky izay fandaharana!
Toa tomefy loatra ny sedra hosedraina,
misy amin’ireny mila haningotra ny aty.
Ka raha safidy tsy aleo mba dikaina,
izay mantsy no hinoako tsy hamono hahafaty.
Ny lahatra manko toa hoe ‘zay voasoratra,
tsy misy azo atao hamafàna azy ireny.
Sady tsy afa-mitroatra ny fo te hangoraka,
na hikiry hiloaka aza ny vava hiteny.
Ny lahatra koa dia tsy afaka hoferana,
ka hoe hatreto no anjara tandrify.
Io mitoetra fa tsy mba miserana,
mifikitra foana sady toa mitampify.
Efa tsy mahagaga ny hevitry ny hafa,
fa hoe lahatra io tolo-janahary.
Nefa tokoa moa raha banjinina ny lasa,
toa marina ihany fa tinendry voajary!
Ka lahatra ve ny mitia sa safidy?
Nahoana anefa no tsy izay tiana no atao?
Fa dia miara-mitoetra ny mamy, mangidy.
Lahatra ve izy sa safidy hoy ianao? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/-13371 | …………………… | RRAG | Manjombina maloka, ny andron’ny fo,
fa ravan’ny lahatra, ‘lay hoe hiara-droa.
Nazeran’ny vintana, ny fitia tsara voly,
nahintsan’ny tendry, mba tsy hamony.
Nisintonin’ny fasana, ilay nofinidy.
Ny ho faty ve moa, iza no hisafidy?
Tsy satry aza moa, hiara-dia eny foana?
Nefa indrisy anio, ny fo dia hisaona.
Ka ora-mijija, no harotsaky ny tava,
teny mandràtra, no mety haloakan’ny vava,
fa hoe dia nahoana, ry lanitra mpiangatra?
Nahoana no ampahoriana, tsy avela ho sambatra?
Manavakavaka loatra, ny vintam-boatendry.
Ny laha-nianteherana, indray no mikinendry!
Mikendry ny fo, hianjera any an-davaka.
Leo aho ny miady fa mba aiza, izay valim-bavaka?
Ry fahafatesana, fa dia nahoana sahady,
no dia finganinao, ity mafy ady?
Mieza-manorina, sy mitraotra amin’ny fiainana,
dia indrisy, ampitondrainao izao fanaintaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ilay-taloha | ILAY TALOHA…! | RRAG | ILAY TALOHA…!
Firesakao matetika, ny zava-bitan’iny,
miteny ianao imbetika, tena lafatra izy.
Tia anao hoe ka, nahafoy zava-maro?
Tokana iny hoy ianao, ka sarotra atakalo.
Miloa-bava ianao dia, ny endriny mambabo,
izay teny aloakam-bavany, dia mampiravoravo.
Mamiratra ny soritra, eny an-tavanao,
tsapako anio fa, mbola tia azy ianao.
Tia azy ilay taloha, talohan’ny fisiako.
Raha azoko natao, dia avy nidifiako,
ny resakao mazàna, mandrotika ny foko.
Tsapako eto koa fa, tsy ho ela ianao ho hafoiko!
Fa tsy maintsy ho avelako, hamonjy azy indray,
na tsapanao aza ny any, fa ady mahamay,
noho ny fampirafesany, ilay hoe tsy zakanao.
Nefa tia loatra ianao ka, tsy misy azo atao!
Tsy misy hahasakana, fa ny hany azo ambara,
dia hoe, mahità ny soa, ary soava tsara.
Tiavo hatrany izy, izy ilay taloha,
fa izy angamba ry aiko, no anjaranao tokoa.
Ny hafatro anefa dia, aza mikaroka ahy.
Tsy haninona aho, fa aza mba manahy.
Tiavo fotsiny izy, dia ho sambatra aho.
Saingy ny am-poko, tsy ataoko ho fantatrao!
Avelao izaho, no zary ho ilay taloha,
mba nitondra ihany, na dia izay nahasoa.
Nahasoa ny anareo, ka dia veloma ianao,
fa tapitra hatreo, ny amiko sy aminao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafa-ny-andro-anio | HAFA NY ANDRO ANIO… | RRAG | Satry hifandray tanana amintsika rehetra avy, saingy kopa-tanana no afaka atao noho ny halavirana! Arahabaina manokana ianao poeta amin’izao andro manerantany natokana ho anao izao. Ianao tokoa ilay mpandrava ny tsy rariny ary mpampitovy zo ny rehetra. Tolorana arahaba manokana ihany koa ianao mpamaky sy mpankafỳ azy ireny tsirairay satria tokoa raha tsy teo ianao dia tsy ary izy ireny.
HAFA NY ANDRO ANIO…
Hafa ny andro anio, andronao poeta,
ka mba miombona feo, hitaky ny marina.
Eo mba avoahy raha mety, irony hetaheta,
mifikitra matory, an-torimaso lalina.
Asosao ny penina, handrafitra andalana.
Tonony ny ainga, ho rakitry ny tsiahy.
Ny anio dia hafa, tsy toy ny fahazarana,
tena andro miavaky ny aingan’ny fanahy.
Ka ‘zay soratanao, dia entina hamafàna,
ny ranomason-tavan’irony resin’ny ady.
Ny ainganao anio, dia entina hanasàna,
ny fahorian’ireo nilavo, fa resy sahady.
Entina hampitoniana, ny fo milom-pery.
Entina handaminana, fiainana voarava.
Entina hamihinana, ny tsisy mba mijery.
Entina hitakiana, ny zon’ireto zaza.
Ny soratrao anio, dia hitondra fifaliana,
hitondra tsikikely, ho an’ireo nijaly.
Ka soratra handrava, ny foto-pahoriana,
ràtra izay navelan’ny fiainany omaly. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/-manjombina | MANJOMBINA…! | RRAG | MANJOMBINA…!
Manjombina maloka, ny andron’ny fo,
fa ravan’ny lahatra, ‘lay hoe hiara-droa.
Nazeran’ny vintana, ny fitia tsara voly,
nahintsan’ny tendry, mba tsy hamony.
Nisintonin’ny fasana, ilay nofinidy.
Ny ho faty ve moa, iza no hisafidy?
Tsy satry aza moa, hiara-dia eny foana?
Nefa indrisy anio, ny fo dia hisaona.
Ka ora-mikija, no harotsaky ny tava,
teny mandràtra, no mety haloakan’ny vava,
fa hoe dia nahoana, ry lanitra mpiangatra?
Nahoana no ampahoriana, tsy avela ho sambatra?
Manavakavaka loatra, ny vintam-boatendry.
Ny laha-nianteherana, indray no mikinendry!
Mikendry ny fo, hianjera any an-davaka.
Leo aho ny miady fa mba aiza, izay valim-bavaka?
Ry fahafatesana, fa dia nahoana sahady,
no dia finganinao, ity mafy ady?
Mieza-manorina, sy mitroatra amin’ny fiainana,
dia indrisy, ampitondrainao izao fanaintainana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/amboara-ho-anao | AMBOARA HO ANAO… | RRAG | AMBOARA HO ANAO…
Ho anao no anoratako, ity amboara ity.
Amboara voka-po, voka-pitia.
Amboara tokana, tsy hanam-paharoa.
Amboaram-pitiavako, ilay nitondra soa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tapitra | TAPITRA…! | RRAG | TAPITRA…!
Zendana ny tena, hontsa ny aty fo,
indray nipimaso, rava ny antsikaroa.
Saingy ny tsy zaka, dia ny fitaka natao,
nitondra fo naràtra, fa tsy noheverinao.
Teny an’alitara, no ringana ny antsika!
Nahita azy ianao dia, zary nangatsiaka,
niova ho ranomandry, ny fitia nitoetra.
Izany ve ry tiako, tsy efa ho herisetra?
Vavolombeloko izy, namako hatrizay,
tsy nampoiziko hoe, efa tany kay!
Ny masonao niantsampy, nibanjimbanjina azy,
ka avy ianao ry tiako, dia nanapaka ‘ty tady,
nifamatorantsika, eny hatramin’ny ela.
Lasa ianareo dia, izaho no tavela,
niondrika tsy satry, menatr’ireo nasaina,
nanontany tena hoe, moa va salama saina,
no mitomany irery, imason’olo-maro,
kanefa anie tsy izaho, no nanangam-pahavalo?
Fa ny fitiavanao sy ny azy, ilay natokisako,
ekeko aloha anio raha, izany no mba vintako.
Zakaiko izay ràtra, sy fery amin’ny tenako!
Avelako ho rava, ny fitia zary fonenako,
fa ny hany tsy noheveriko, ay ka mamirifiry!
Ny manongotra amin’ny fotony, fitia tsara tsiry.
Moa ve mba nojinerenao, ny ranomasom-poko,
narotsaky ny tava, sy ny aty nitoloko?
Moa tsapanao, ny ràtra entin’ny aiko,
noho ny fitakao, namery ny atin-tsaiko?
Eny tiako ianao, toa diso tiako ianao,
ka hany tsy nampoiziko, hiafara toy izao,
ireo vina maro, niarahana namaritra.
Saingy indrisy fa, voafetra mba ho “TAPITRA”. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vovoka-ny-fitiavana | VOVOKA NY FITIAVANA…. | RRAG | VOVOKA NY FITIAVANA….
Rivotra kely, nitsoka nandalo,
dia nampisidina, ilay fitia.
Vahiny nisioka, nivetso nikalo,
no lasa narahan’ilay nilaza ho tia.
Vovoka mora manidina marina,
mahaditsoka maso, mandràtra ny manina,
aloka tsy hita, anatin’ny alina,
ny fitia zava-poana, toa sangodim-panina.
Vovoka angamba, izato fitiavana,
lemana rano, vao re mba mitambatra,
nefa indrisy, fa zary honahona,
mahatonga ny fo, hangina ho moana.
Tsy hiteny intsony, na dia hoterena,
hihafy hatrany, raha sendra hianjera,
ka hitahiry, ‘lay hiram-pihaonana,
mba ho hiram-po, ho hiram-pisaonana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/pejy | PEJY…! | RRAG | PEJY…!
Hanokafako ity pejy, teny tokana ao am-poko,
fa ny lahatra sy tendry, dia anjara iray hinoako.
Ny lohateny entiko, dia ny ho an’ilay malalako,
fa izy no hany tokana, nandrafitra ny tantarako.
Ka ialao tsiny any, raha misy olona hadino!
Fa hisy amboara iray vaovao, amboara iray haneho,
azy ireny, izaho dia mino!
Tsy ho ela izany, tsy ho ela akory dia hiseho. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ity-amboara-ity | ITY AMBOARA ITY…! | RRAG | ITY AMBOARA ITY…!
Tsy andriko ny ora, ny ora hiravàna,
hahitako anao, ry ‘lay tsy manan-tsahala,
tokana am-poko, izay nofinidiko.
Ny andro anio, dia tena isan-tadidiko!
Andro fahatsiarovana, ilay nihaonantsika,
izay nifampitan’ireo, aingam-po ho tafita,
ka nifamatoran’ny, fo roa mba ho iray,
fe ankehitriny, zary ho mandrakizay.
Tsy andriko mihitsy, ny hamihinako anao,
satriko ry tiako, izao dieny izao.
Ianao mantsy no aiko, ivelan’ny aiko,
fehezin’ny foko, toavin’ny saiko.
Ianao ihany koa, no andrin’ny foko,
nitsabo ny feriko, izay nomban-toloko,
nandràtra ahy, foiny ianao tsy fantatro.
Ianao ry tiako, no ilay tena santatro!
Nampahiratra ahy, namoha ahy natory!
Nanala ny foko, tomefin-tsorisory,
hila haningotra, ny aina ao anaty.
Ianao ‘lay rovako, nizàka ny tsy tanty!
Nilanja ny tsy efako, ka mendrika izao,
fanomezan’ny fo, ho hatolotro izao.
Arahako oro-mamy, sy safo malefaka,
dia ‘ty amboara ity, no solon’ny tehaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tiako-foana-eh | TIAKO FOANA EH! | RRAG | TIAKO FOANA EH!
Na haratsiany toy ny ahoana, na hototofany haratsiana!
Dia tiako foana ianao, fa aza asiana fanahiana.
Matokisa ny fitiavako, izay naborako ho anao.
Raha mbola izaho koa no izaho, dia tsy hihevitra ny handao.
Na soketaina toetra aza, na holotoin-tava koa!
Dia ny fitiavako no tokana, tsy manan-doko faharoa!
Fa ianao irery ihany, no hany tian’ny foko ho namana!
Tiako foana raha ianao eh! Etsy raisiko ny tanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofinny-lasa | NOFIN’NY LASA…! | RRAG | NOFIN’NY LASA…!
Mafy tokoa, izany tia ka tsy tiana.
Ny afo ao am-po, tsy azo hamindroana.
Ny redaredany, maningotra ny aty,
nefa rivo-mandalo, dia mamono mahafaty!
Mandrava ny dina, izay nifanolorana.
Mandrotik’ireo vina, izay niloforana.
Niadiana mafy, ho fototry ny hoavy.
Saingy indrisy anefa, fa tinapaka tady.
Tapa-patorana, ny fitia izay najoro.
Malazo sy maina, toa fitia ampangoro.
Lefin’ny jery, izay diso tia vao,
dia rava tanteraka, ka niova lalao.
Ianao nifampitantana, no injay tinazany.
Ory ny fony, fa voafafa ny anarany.
Nofoananao, tan-tsegaondra vitsy,
ny fitia tsara toetra aza, dia zary efa dify.
Mangidy sira, aminy ny fiainana,
ianao ‘lay tiany, tsy azo hitarainana.
Fa dia nanadino, ireo mamy niarahana!
Ny anao no foana, fa ny azy tsy hifarana.
Mbola hitoetra, anatin’ny fony,
hiandry anao izy, hiandry anao hitony.
Ka hamerina indray, ny fitia lalim-paka!
Indrisy anefa, fa dia nofin’ny lasa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/malala | MALALA | RRAG | MALALA
Antso iray tsy foiko, aloakam-bavanao matetika, ‘lay teny hoe malala.
Teny fiantsoako anao, zary lasa anaranao, ry ‘lay tsy manan-tsahala.
Tokana ao am-poko ianao, fitia tsy hosoloiko, ny anao r’ilay anjara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-tsara-tefy | FITIA TSARA TEFY…! | RRAG | FITIA TSARA TEFY…!
Injany tomefy hafaliana, tsy homby tratra sy aty fo,
fa ho eo anilan’olon-tiana, ka ho iray fa tsy ho roa.
Toa tontosa ihany lahy, izato voadim-paniriana,
ka hiray fo fanahy, aminao ‘lay tena tiana.
Izay toky haloakako eto, dia nitsiry avy any am-po.
Aleo kely aho hisento, fa fifaliako izany aloha.
Aza atao mahagaga anao, raha sendra ranomaso latsaka,
fa izao andro izao, no zary tsiarom-pisandratana.
Hifamatoram-po ‘lay resy, nalavon’ny fitiavanao.
Ankehitriny dia mpandresy, zary amboarako ianao.
Amboaram-pahasambarako, noho ny fitia tsara tefy.
Ianao no fiadanako, mihazom-pitia mba tsy ho lefy.
Taona maro no niarahana, teo ny mamy sy mangidy.
Tsy nisy anefa nisarahana, ka nandosirana ny adidy.
Adidy ‘zay fato-pitia, mampiharina ny mietry!
Zary fitiavana doria, satria fitia tsara tefy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/na-dia | NA DIA… | RRAG | NA DIA…
Mbola zaza ianao mazàna,
dia faly ny hiditra am-piangonana.
Lehibe dia tsy tamana,
satria hoe: “Mamelon’ankohonana!”
Saingy ny tsy mba tsapanao,
dia ny Tompo teny foana.
Niaro sy nitahy anao,
ninoninona fotoana.
Sendra ady mafy anefa,
dia ‘njay miantso ‘lay anarana.
Fa angaha moa tsy nahefa,
ireo nohariana teo an-tanana?
Na izany nefa aloha,
tsy nanadino anao ny Tompo.
Fa ianao no mafy fo,
ka mikiry ny tsy hanompo.
Dia mitady hatrany hevitra,
tsy hanatona azy akaiky.
Moa ve mandry ny eritreritra,
raha toa ianao ka taraiky?
Tsy hahita fahafahana,
nosoritina hatry ny ela.
Tsy hahalala izay lalana,
f’ianao irery no tavela.
Ka faingana ianao mifona,
manatona azy izao.
Fa izy tia anao foana,
na dia mpanota aza ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fisarahana | FISARAHANA… | RRAG | FISARAHANA…
Tsy ny halaviran-tany, no namaritra fitia.
Tsy ‘lay hoe ambodin-trano, dia manja ery ny dia.
Fa ny fo mitepo anaty, no mandrafitra tantara.
Tia ianao, tia hono izy, dia hoy ianao hoe: “Izay dia tsara”.
Raha ny teny mantsy hono, manan’elatra ohatr’izany,
mainka moa fa ny honohono, singa fototra tomany,
foto-dratsy efa nikiky, vony tsara nidoroboka.
Raha miantehitra amin’ireny dia, tsy ho ela dia hidoboka.
Mila famatotra ny fo, mila tady mafy indrindra,
mila ezak’olon-droa, mba ho afaka hirindra.
Fa ny ziriziry foana, na ny hambom-po tsy lefy,
no mahatonga fo hisaona, satria tsy hisy afaka hietry.
Tsy hisy sahy ny hilefitra, dia hiezaka hangina,
ny adiady zary efitra, mampisaraka olon-tiana,
manafoana moramora, ny fitia mitsiry anaty.
Kinanjo lasa kajin’ora, hoe rahoviana ity no ho faty! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tamininy-fizarana-2 | TAMIN’INY… | RRAG | TAMIN’INY… (FIZARANA FAHAROA)
Nitinazana an-tsiky dia, nibanjina ‘lay jery,
izay natopitopinao ka zary, nahatonga ahy nahateny,
hoe: “Malala a! Tiako ianao! Eny, tiako loatra ianao,
tiako loatra ka tsy ho vitako, ny handao ‘zao ora izao”.
Tsy haiko ny hanalavitra, fa tsy foiko‘ty angolangolanao,
ka dia nanery ahy ny foko, nanery ahy, hiantsampy anilanao.
Ianao izay, nandritsoka ny tenako, nanaitra ahy tan-tory!
Tiako loatra ianao, tiako loatra ka ny foko, tsy mety tony.
K’izay no namelako, hisafoanao, ny salovan-tavako,
ary koa nanekeko, hikasihan’ny molotrao, amin’ny vavako.
Izay no antony tsy nanakanako, hanalànao ny lamba an-koditro,
satria malala a! Tiako ho takatrao, ny hika farany todiko.
Dia nifampizara teny, toa tsy nahalala ora intsony,
malala a! Tamin’iny dia ianao, ianao no hany vony,
nifampizara hafanana, injay fa, nifanolotra fitia,
vony zary lasa felana, tsy fela-maina sanatria.
Tamin’iny tsy nahalala, andro hariva intsony isika,
marobe ‘reo hadalana, saingy mamy rehefa vita.
Zary fitomboka tsy maty, nosoritin’iny dia.
Malala a! Tamin’iny anie akia, no nivaky ilay fitia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-nampoizina | TSY NAMPOIZINA… | RRAG | Misy ilay fitenenana hoe: “Arahabao ny mpandalo, fa tsy fantatra izay ho fara rafozana”. Dia somary asiako tohiny hoe: “Mba valivalio ihany ny arahaba-mpandalo fa tsy hay izay mety ho vinanto”.
TSY NAMPOIZINA…
Ay ve ianareo ka, olo-mifankahalala,
natositosi-drivotra, mba hifampizara?
Hifanakalo angamba e! Arahaba voka-po,
nefa tamin’ireny, nahatsapa samy voa.
Dia tsy nifampiteny, na arahabakely,
izay tsy novidiana lafo, fa vitan-teniteny,
na kopakopa-tanana, toa tsy handrerahan-tena.
Samy toa tsy nisy, mba hoe nanaja-tena!
Ny ankilany nangarika, niavona tsy satry,
ny tsiky haingon-tava aza, natao tarehy ratsy,
toa nifaneso an-tsaina, nifanozona no tsy hay!
Izao ianareo mpiahotra, ny volon-tratra may.
Tsy nampoizina akory, fa ho hatamba-po mitia,
aiza ilay fahiny hoe: “Ny hiarahaban’iny, sanatria”?
Ka nifampilonjilonjy teny, tsy nifampijery akory.
Tsy nampoizinareo, ny vokatr’ireny sorisory! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indrisy | INDRISY…! | RRAG | INDRISY…!
Indrisy fa tsy maintsy, milefitra mangina,
anaty fandeferana, ny fo rehefa tia.
Tsy hasiana fanenenana, ny nizaram-pitia,
ka aborako ho anao, fa tena tiako ianao.
Indrisy fa tsy maintsy, miezaka milefitra,
mangina tsy miteny, ny fo ‘zay tena tia.
Ny fahanginana dia tady, ny fandeferana dia efitra,
famatotry ny fo anaty, raha te hiara-dia. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fo-rehefa-tia | NY FO REHEFA TIA………. | RRAG | NY FO REHEFA TIA……….
Ny fo rehefa tia, dia sahy miatrik'ady,
sahy misedra olana, mitraka anaty sedra.
Ny fo rehefa tia, dia milefitra eny an'ady,
tsy malai-mivolana, tsy miseho ho ‘ngeza. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/love | “LOVE”… | RRAG | “LOVE”…
Tsy dia haiko loatra,
ny miteny anglisy.
Tsy haiko,
ny milaza ‘zay tsy misy.
Fa ny “love” no hany fantatro,
sy mba haiko mitanisa,
“I love”, hoy ‘ty vavako,
amin’ny “love” manapitrisa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sombiny | SOMBINY…! | RRAG | SOMBINY…!
Injay fa toa mitroatra, mikiky mafy anaty,
mandoro ny atim-pony, mamaivay tsy tanty,
ny afon’ny fitiavany, manosika hitia anao.
Nefa tsy ho voaborany, raha toa ka mbola izao!
Toa hoe: “Tahirin’iny mantsy”, ka sarobidy loatra,
dia tsy hainy ny mamatra, fa sao indray mihoatra,
manarona izato zinga, ity rano atosatosak’eny.
K’izany no mahatonga, mahatonga azy tsy hiteny!
Tiany ianao kanefa, matahotra ny fony,
manahy ny hiloa-pery, izay mety tsy hitony,
miohatra amin’ny dingana, hatolotry ny hoavy,
manahy mafy ery, ny hilaozanao sahady.
Sombiny ianao, satria sila-panahiny,
sombiny ianao, ‘lay fototry ny ahiahiny.
Saingy sombintsombiny, tsy afaka ny otazany,
sombintsombiny ihany, tsy hanaraka ny lalany.
Ianao mantsy any, toa hoe mitia olon-kafa,
izay no hany reny, tamin’irony tafatafa,
nataonao taminy, fa toa hoe: “Mpinamana ianareo”.
Ka raha ny hiandry anao dia, foana ny hatreo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao | IANAO A! | RRAG | IANAO A!
Ianao, fa tsisy ankoatra anao,
no hany tokana ato am-poko.
Ianao, fa tsisy hafa mihoatra anao,
no nambabo 'ty foko.
Tiako ianao ka safidiako,
tiako ianao ka tena tiako.
Tiako ianao malala,
tiako tsisy salasala! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fikasana | FIKASANA… | RRAG | FIKASANA…
Efa fantatro fa hisy, oram-baratra hitroatra,
hamoaka indray ny hirifiry, izay tsy tiako hiloaka.
Efa tsapako ihany koa, fa hisy fery tsy hay sitranina,
hikiky hatrany ny aty fo, raha tsy hamono tsy hijanona.
Efa lalako daholo, fa ‘zay ezaka ho ataoko,
dia toy ny afo hisy hamono, raha toa ka sendra nolazaiko.
Efa haiko raha ny latsa, mety ho atoratoraka ahy!
Saingy efa mahazatra, ka tsy mahakivy ny fanahy.
Ka ho fikasàna ihany, izay dingana holalovako,
fa mbola ny omaly hatrany, no handravaka ‘ty rovako.
Toa ho nofy avokoa, izay rehetra iriko hapetraka,
diso kivy raha ny fo, ka injao mivalaketraka.
Fikasàna moa tsy nofy, no mameno ny eritreritra?
Saingy minitra dia efa miofo, toa tsy afaka nivelatra.
Nanamafy ny eza-bitako, na ny fikirizam-poko,
ny omaly aza toa tsy vitako, ka ny anio ahoana koa? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-resy | EFA RESY… | RRAG | EFA RESY…
Vao nanokatra aho ‘ty vavako,
dia efa resinao ny foko.
Jamba angamba fa tsy lalako,
fa toa reko te hitoloko.
Ny fanantenana anaty,
sy ny fitia tsy mety maty. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/afo-iray-nandoro | AFO IRAY NANDORO | RRAG | AFO IRAY NANDORO
Afo iray nandoro,
ny foko hatramin’ny taona ela,
ny fitiavako anao.
Sahiko ny hijoro,
na dia hisy hinia hampianjera,
ny teteza-misy anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tra-pahoriana | TRA-PAHORIANA… | RRAG | TRA-PAHORIANA…
Misy tokoa ve andro voatokana,
hitomanian’ny fo tena tia?
Ary hisy fitia tsy mety ho voafolaka,
fa samihafa vina ny mpifankatia?
Moa hisy alahelo, tsy tiana hovakiana,
milona ao anatin’ny fo efa kivy?
Ka ‘reo voady vita sy ireo faniriana,
dia an-jaoridiran’ny isan-tsafidy.
Fa tra-pahoriana ny fo ao anaty,
dia mieza-mamafa ny lasa rehetra.
Satriny hodorana ireo‘zay tsy tanty,
nefa ny heriny dia toa manam-petra.
Ka indro tavoahangy no zary an-tanana,
natao mpamafa ny fery tsy zaka.
Ny rano mahery no zary toa namana,
fa ny hafa nantenaina dia isa-mpandatsa.
Tra-pahoriana dia mamono saina,
mikiry manadino ny ràtran’ny omaly.
Saingy indrisy tsy sahy mitaraina,
ka mizaka irery ny hahamafin’ny jaly. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anny-tiako | HO AN'NY TIAKO! | RRAG | HO AN'NY TIAKO!
Vao nanomboka namboraka,
taminao ny fitiavako aho dia,
nanomboka niezaka,
nitàna ny toky,
izay nomeko anao,
satria tokoa mantsy,
tena tiako ianao.
Vao nanomboka ny foko,
nitia anao mangina dia,
toa tsaroako,
ilavi-panahiana,
satria nomeko anao,
ny foko manontolo,
izay efa lasanao,
ianao ‘lay tsy ho voasolo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-tena-itiavako-anao | NY TENA ITIAVAKO ANAO…! | RRAG | NY TENA ITIAVAKO ANAO…!
Ny rehetra rehetra eny aminao, dia toa laniko avokoa.
Izay maha ianao anao, dia efa mitsiry ato am-po.
Ka ny tena itiavako anao, dia tsy misy hafa tsy ‘zao,
feno amiko ny mombanao, ka tiako tena tiako ianao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misiterinny-fitia | MISITERIN’NY FITIA… | RRAG | MISITERIN’NY FITIA…
Tsy ny teny aloa-bava, no fambara ny fitiavana.
Tsy ny fihetsika mazava, no ahafahana mihavana,
fa ‘lay ao am-po mitroatra, mikiry mafy ny ho aboraka.
Io ilay tsy niloaka, te hiantsampy, te hiantoraka!
Sarisarin-jaridaina, misy vony maro loko,
misy fanahy, misy saina, misy fo mitoloko,
misy raozy, misy lisy, misy bozaka aman’ahitra.
Fa ny fo rehefa tia, dia mitepo tsy mitsahatra!
Tsy ny maso vao nahita, no afaka hilaza tia,
tsy ny sai-mamisavisa, no hoe manam-pitia.
Fa ‘lay fo midobodoboka, no mitahiry tsiry vao,
ao izy no midoroboka, vao sahy miloaka aminao.
Ny misiterin’ny fitia dia, fitambaran-tsinga telo,
eo ny maso mitinaratra , sy ny saina mihelohelo,
ary koa ny aty fo, manana tsiambaratelo.
Ny misiterin’ny fitia, dia fifamatoran-teny,
ny maso ery dia mankafỳ, sady variana mijery.
Fa raha ny saina indray, mamakafaka ity hotiavina,
ny fo mihavana amin’ny tiana, fa tsy sahy miavonavona.
“F(ỳ)i ”, fiatombohana mamaritra, fifankahitan’olon-droa.
“Tia”, famaritra tantara, vao miatomboka miandoha.
“(H)avana”, fifamatoram-pihavanana, vokatry ny fo.
Ka raha feno ‘reo, dia tanteraka ‘lay hoe: “Sambatra tokoa”. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofiko-io | NOFIKO IO…..! | RRAG | NOFIKO IO…..!
Nofiko io dia teo ianao,
nosafoiko! Injay koa nisafo ahy.
Nofiko io dia teo ianao,
norohako! Ary avy eo nanoroka ahy!
Nofiko io ‘lay misy anao,
mitositosy eto an-tratrako.
Dia manorokoroka ahy ianao,
ianao ‘lay tiako sy malalako. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.