url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lovia-bakoly
LOVIA BAKOLY…
RRAG
LOVIA BAKOLY… Rakala a! Ianao aloha tsy ratsy! Ny endrikao koa, tena tsy misy tasy! Sady kanto ery, no mamiratra jerena, na izany aza a! Tsy aleo manaja-tena. Ianao hoy aho tsy ratsy, ny bikanao tsy handositra! Kanefa anie ry kala, ny tondrotondro molotra, dia mety hiantefa koa, amin’ny tenanao, k’izay ve anefa, vao mety hiova ianao? Ny hatsarana mantsy! Toy ny lovia bakoly, endrika ivelany, tsy horaharahainy akory, fa mainka aza anie, ka hilalaovany anao, dia rehefa hanenina ve, vao hody hitalaho? Lovia bakoly ireny, mora vaky ery. Ny fanahy no mahaolona, mahatonga fo hitia. Fa ny endrika ivelany, sarisary fotsiny e! Lovia bakoly ireny, ka tsy ho hasiany fotony e!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foko-efa-tia
NY FOKO EFA TIA
RRAG
NY FOKO EFA TIA Ny foko efa tia, tia hatramin’ny ela, saingy re niahotra. Tena tia anao, ny aty manontolo, fa izy no natahotra. Tsy misy satria, raha ny fitia anatiko, fa toy ny afo iray mirehitra. Tena tiako ianao, ka mety tsy ho tantiko, ny hanohitra azy hitselatra. Ny foko efa tia, raha vao nahita anao, saingy tsy sahy niteny. Naniry ny hiara-dia, ny tao anaty tao, nefa nofy ireny. Ny foko te hilaza, hitroatra anaty hika, fa tiako, tiako ianao! Nefa ny eritreritro, manahy ny amintsika, eny hatramin’izao. Ny foko efa tia, tia hatramin’ny ela, saingy nitahiry. Ankehitriny re mitroatra, ‘lay vony nototofana, ka injay mitsiry. Indraindray toa rano, ranomason-tava, no nanondraka azy teny, satria ny foko tia, toa mikiry mafy, fa tsy te ho irery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-marina-ao-am-po
NY MARINA AO AM-PO
RRAG
NY MARINA AO AM-PO Nisoritra efa ela, tanaty ny foko, ny anaran'ialahy, ‘lay tokana tsy foiko, voafaritra am-bala, ny marin'ny aty fo, tsy hisy salasala, ny hiarahantsika roa, satria tiako ialahy, ‘lay tokan'ny fanahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-adaladala
FO ADALADALA…!
RRAG
FO ADALADALA…! Fatorana fitia, mihazona ny fo, no mitoetra ao anaty. Tsy misy sanatria, ny fitiavam-po, ka sahiko no hiantsampy. Fo adalaladala, ity miantso anao malala, ka aza atositosika. Tsy te hankahala, anaty salasala, noho ny tondro molotra. Fo adaladala, mitia anao mangina. Maro mpankahala, ‘lay fo ‘zay vitsy tiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-lavitra
RAHA LAVITRA
RRAG
RAHA LAVITRA Raha lavitra ahy ianao dia, asio sioka tokana ho hafatra entim-borona. Raha manina ahy ianao dia, mivetsoa mangina, kalo tsy hain'ny olona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-azonao-sakanana
RAHA AZONAO SAKANANA…
RRAG
RAHA AZONAO SAKANANA… Raha azonao sakanana, ny lahatra sy tendry, dia eo re mba ataovy. Raha azonao baikoina, ny soritry ny kinendry, dia eo koa asaivo, asaivo hanatanteraka, ny sitrapon’ny foko, izao dien’izao. Iangavian’ny fanahiko, izany rehetra izany, raha toa ka sitrakao. Raha azonao atao, ny manakana ny vintana, na ny manova azy. Na ihany koa, azonao baikoina, ny fijerin-kintana, nanova ny omaly. Dia baikoy izy, baikoy izao dieny ‘zao, tsy misy hatak’andro. Tereo izy, tinereo, hamerina indray, ny taratr’ilay masoandro. Raha azonao atao, ihany koa ny mba, manakana ny foko, tsy hitanondrik’alahelo, amin’izay tsy anjarany, dia eo re mba sakano. Na koa, azonao atao, ny mitàna tsy handehanan’ilay tiako tsy foiko, dia eo mba iangaviako, iangaviako anao, mba tano! Fa hisy any andro, saronan’itsy volana, hivadika ho taona, hiteny tsy hiandry baiko, ny foko efa moana. Hiteny aminao, ny tena alalim-pony, mitafo ilay fitiavana, ‘zay manam-paniriana, ny handray anao ho havana, akaiky indrindra azy, famatony eto an-tany, tokana amin’ny namany, hany, nahafafa ny tomany. Raha azonao sakanana, ny anjara fahafatesana, mampalazo vony, sakano dien’izao, dia ‘ty foko tony. Fa sao dia toy ny lasa, noraketin’ireo ràtra, noheverina efa lo, saingy injay nanindrona, nanata-perim-po. Raha azonao sakanana, ny rivotra mpandrava, izay natsangantsika, tohero izao dien’izao, fa sao hitondra hatsiaka. Hatsiaka mamanala, tsy hisy mpanafana, ka hampihibo-po, anaty hadalana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/safoiko
SAFOIKO
RRAG
SAFOIKO Anaty nofinao, dia hosafoiko ianao, fihiniko eto an-tratrako, dia raisinao ny tanako. Ny molotrao orohako, ny tenanao safoiko, ianao ‘lay tsy foiko, tohizo ‘ndray ny nofinao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-no-tiako
IANAO NO TIAKO
RRAG
IANAO NO TIAKO Ninoninona ho sedra, ka hanova ny tantara? Dia ny hany tena ‘ngeza, dia ny anaranao malala. Tena ianao no tiako indrindra, tokana finidim-poko, ‘lay fitia tsy azo afindra, fa ho anao nosafidiako! Ninoninona hidona, hisetrasetra indray ny foko? Dia aleoko izaho no moana, raha ianao tsy ho ampofoiko. Fa eny an-tratran’olon-kafa, toa falifaly manadino, ianao anie no tiako e! Nefa ianao tsy mety mino! Ninoninona ho faka, tsara fototry ny ela? Ny foko tsy hiambakavaka, hamaky ny tahirin’ny ela. Ho anao ‘lay olon-tiako, ilay hany tena mamiko, hangina aho, dia tsarovy fa, narotsako ho anao, ‘lay faran’ny tomaniko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/love-be-ny-fo
“LOVE”-BE NY FO…
RRAG
“LOVE”-BE NY FO… Lavitra ny dingana, fa maro no efa vita, tsy vitsy koa ny fingana, fa modiana tsy hita. Tsy maty kosa anefa, ireo raozy ‘zay nitondra soa, tsapa niantefa, satria, “love”-be ny fo! Maro ny honahona, tsy vitsy ny handringana, ny fo efa misaona aza, toa mbola hisy hamingana. Tsy mitanondrika eny anefa, fa miezaka mitony, tsy miahotra milefa, ‘zay sedra vao mamony. Ny fo rehefa tia, tsy hita hosakanana, mamy sy fỳ, izay tsy eny am-pelatanana. Ka ahoana kosa, ny fo no tsy hiara-droa? Terena hanala trosa, trosany taloha, satria tokoa e! “Love”-be ny fo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-ato-anatiko
NY ATO ANATIKO!
RRAG
NY ATO ANATIKO! Tsy haiko hoe: “Fo akory”, no mitoetra ato anatiko? Toa tsy mihazon-donilony, amin-javatra tsy tantiko, Fo tia ka sendra tiana, sa fo iray, mbola manam-paniriana, ny tsy hitia mangina, ny olon-tena tiana? Tsy fantatro hoe: “Fo manao ahoana”, no mihiboka ato anatiko? Mangina toy ny moana, amin-javatra tsy tantiko. Fo be fandeferana anoloan’ny tiany, sa fo manam-piheverana hiaraka amin-tiany, ka mitroatra eny foana, mandanindany ny fotoana? Tsy lalako hoe: “Fo manao akory”, no mitsiry ato anatiko? No ilavi-tsorisory, na misy aza ny tsy tantiko. Fon’anjely angamba, sa fo iray mody jamba? No mody tsy mahatsapa, fa mihosin-dràtra?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/boky-diary
BOKY DIARY…
RRAG
BOKY DIARY… Rangotry ny peniko, no nandrafetana, ‘lay boky diary, tahirin’ny fo. Tsiaron’ny tenako, no nandevenana, ireo lasan’ny omaly, nentin’ny fo. Boky diary, tahirin’ny lasa, ilay nosoratako, anatin’ireny, no misy ny kasa, nirina hotratrariko. Saingy tsy nisy, na iray akory, vitako anio, toa ny lasa indray aza, no reko nitony, tsy nisy tadio.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eo-anilanao-eo-anilana
EO ANILANAO…
RRAG
EO ANILANAO… Eo anilanao no tiako iainana eto, eo aho no hany afaka mivetso, ny tena alalin-tsento, k’izay no tiako eto! Eo anilanao no tiako hisy ahy, na velona aho na maty dia eo ny fanahy, mitoetra anilanao, manala ireo talaho. Eo anilanao no tiako indrindra ry aiko, eo no mba mitony ny tebitebin-tsaiko, ianao no hany fantatro tena tia ahy, ianao ‘lay tiako no mpanafaka ahiahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foko-ve
NY FOKO VE?
RRAG
NY FOKO VE? Toy ny an’ialahy, ny foko koa midobodoboka, ny foko sy ny ao anatiny, toa reko mihovitrovitra, satria koa dia tia, tena resin’ny fitiavana, ny fitiavan’ialahy, no akanim-pahasambarana. Ny fitiavan’ialahy, no hany tena maminy, telin’ity foko, toy ny “daliah”, fa hitany ny hatsarany. Ka mila ny fitia, hanoritana tantara, avy amin’ialahy, ‘lay tokana fanahy, no nisoritra ny anjara. Ny foko ve? Tia dia tia ka dia mahasahy, hamakivaky sedra an’ahiahy, hisetrasetra zavom-be matevina, ny lasa anefa tsy voalevina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toko
TOKO!
RRAG
TOKO! Narindranao ny feo, nasianao ‘reo tonony. Ny fitia no indray naseho, ho toko tsisy solony. Ho andininy voatokana, hampitoniana fo. Ho amboaranao manokana, ho fiotazantsoa. Ny tononkiranao, fampiraisan-toko. Ny feon-kiranao, dia fandrava ny toloko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lisy
LISY…
RRAG
LISY… Voninkazoko hono ianao, voninkazon-jaridaiko! Vony iray am-poko ao, felam-bony nolalaiko. Ianao no lisin’ny foko, tokan'ny fitiavako. Ianao tsy hosoloiko, f’efa fatoran'ny fitiavako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-ho-faty-ihany
RAHA HO FATY IHANY…
RRAG
RAHA HO FATY IHANY… Hoy ilay zaza: Raha ho faty ihany, dia aleoko mba rahampitso, fa tsy izao dieny ‘zao. Fa ny laoka ao hena, i Dada ihany koa, vao nividy kilalao. Ka raha ho faty ihany, aleo mihinam-parany, mialavoly kely. Midongidongy kely, mihanta amin’i Neny. Hoy ilay resim-pitiavana: Raha ho faty ihany, aleoko anio dia anio, dia hifarana ny ora. Fa tanin-dràtram-po, mikiry mafy, mitondra fery handona, ve dia hitoerana, ela toy izao? Tsy aleoko maty, maty izao dieny izao. Hoy ilay renim-pianakaviana: Raha ho faty ihany, aleo mialohan-janako, fa toa tsy ho tantiko, ny hahita ranomaso, hisoritra eny an-kandriko. Tsy zakako izany, very sombin’ny aina, tsy hanan-kianteherana, tsy aleoko alohany, ny ahy ny fanaperana. Hoy ilay Rangahy maty vady: Raha ho faty ihany, tsara ny anio, fa tiako hahita azy, ilay vady tiako, nataoko mariazy, nanaovako voady. Izay nandao ny tany, tsy ela akory izay, namela ahy irery, aleo aho izao dieny izao, dia hangina tsy hiteny. Hoy ilay tanoran-drendrarendra: Raha ho faty ihany, aleo mba elaela, ilavitr’ity taona, toa hafahafa mantsy, izany hoe, hangina sy hisaona, ny “bar” sy ny “boite”, famonjiko isak’alina. Aleo tsy ampitso mihitsy, mba kaozy tena marina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anjelinny-foko
ANJELIN'NY FOKO
RRAG
ANJELIN'NY FOKO Tokana ianao, tsy manam-paharoa, raha amin'ity foko. Anjeliko ianao, ‘lay safidim-po, anjelin'ny foko, tena tia tokoa. Ka hotanako ho ahy, tsy mba hosoloiko, satria famatotry ny fanahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-masonao-mijery-ahy
NY MASONAO MIJERY AHY!
RRAG
NY MASONAO MIJERY AHY! Ny masonao mijery ahy, dia porofo iray tsy hadinoko. Ny hakantonao ao am-panahy, no mampiaina koa ‘ty foko. Ianao izao no fitiavana, ianao ‘lay hoe tia ahy, ianao no tena namana, famatotry ny fanahy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-alina-iny
INY ALINA INY…
RRAG
INY ALINA INY… Ny masoko rendremana, saingy tsy te hatory, maniry hahita anao. Ny lohako nolemana, hanala sorisory, ilavitra anao. Fa iny alina iny, no mbola nahatsapako, fa tena tiako ianao. Iny alina iny, no nanamafy ny faniriako, hamihina anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izaho-ianao
IZAHO & IANAO!
RRAG
IZAHO & IANAO! Mifamatotra ao am-po, izaho sy ianao, mpifankatia miara-droa, maniry ny tsy hifandao, tiako ianao, tononkira, tsy mankalao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-alintsikaroa
NY ALINTSIKAROA…!
RRAG
NY ALINTSIKAROA…! Ny alintsikaroa, na dia tanaty nofy aza, dia alin'ny fo, ‘lay mitia mazava. Ny alintsikaroa, dia alin'ny fitiavana. Ny alintsikaroa, no alim-pahasambarana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/safidy-niantefa
SAFIDY NIANTEFA
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
SAFIDY NIANTEFA Fotoana kely monja No nahalalako anao, Kanefa dia nanonja Tanaty foko tao. Tsy hitako lazaina Izay mahatonga izany, Fa mby mameno saina Ny hitia anao hatrany. Tojo anao ny foko ‘Ry ilay olona iny, Fitia mba mitoloko Ka aza omenao tsiny. Safidy niantefa Ka tojo anao mangina, Nilefa ka nilefa Mba ho anao ry tiana. Averiko eto ihany, Safidim-po tokoa, R’izany tiako izany Andeha mba hiara-droa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/zanaky-ny-alina
ZANAKY NY ALINA
Zoky Eric
Toky maro no efa napetrany Ny voady hoe ho mandrakizay Indrisy anefa fa nisy fetrany Tafasaraka ilay fo niray Fo niray ka nefa nisaraka Satria lefy izato fitiavany Diso matoy ka niraraka Olon-kafa indray no malalany Dia rava ilay fanam-badiana Ity zanany tsy no jereny Mafy ireo teny nifamaliana Sy ireo ratra maro nomeny Nanomboka teo aho irery Niezaka ny hitady vola Kanefa tsy nisy nijery Nandrandrana ny loha sola Narary mafy ny zanako Tsy hitako izay ho jerena Vola tsy nisy teo antanako Ka naleoko dia nivaro-tena Eny, simba tokoa ny fiainako Rava noho ilay mpamitaka Tsy nisy olona azo nitarainako Mpivaro-tena,ka maro mpisitaka Indrisy mantsy ry fiainako Fa tena tsy fidiny ho ahy Ny hivarotra izato tenako Dia lazaina ho tsy manam-panahy Eny izaho ilay zanaky ny alina Tsy mendrika ny ho hajaina Maloto tarehy feno arina Aminy alina ihany no hilaina page fb: H_Eric
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny-aho-zaza
IRENY AHO ZAZA!
RRAG
IRENY AHO ZAZA! Ireny aho zaza, tsy nisy zava-pantatro, mombanao ry Dada. Tsy nisy fahatsiarovana, tahirim-pahazazana, fa ranomaso lava. Kanefa aho mba velona, velon’ilay Reny, izay niteraka ahy. Tafitany ihany aho, voarony ihany koa, tanaty ny ahiahy. Na dia ny anaranao, tsy nisy mba niteny, toa tsy tiako ho re. Tsy tiako ho hay akory, ny manonona azy, na indray mandeha. Na rovi-boro-damba, na sisasisam-bava, no hany teny an-tanako. Tsy nisy avy aminao, tsy nisy, tsy volanao akory no niala tamin’ireny. Kanefa ianao etoana, maneso manaraby, ‘lay Reniko tsy foiko. Mangina izato ianao, aza miloa-bava, fa tsy ho vitanao ireny. Tsy ho vitanao ny hiaritra, hitàna ranomaso, hisedra ny aretiko. Ianao aza, nandositra adidy, tsy nahafantatra akory, ny ràtra izay nentiko. Ka akombony dieny izao, aza miloa-peo, hanaratsy akory ny hafa. Fa ny anao aloha jerena, banjino ny hoavy, diniho irony lasa. F’ireny aho zaza, tsy nisy nampitafy, ankoatra an’i Neny. Ka izy irery ihany, no manam-pahefana, manan-jo hiteny, hanabedy ahy, amin’ny zava-bitako, sy ireo tsy mba nefaiko. Hafa ihany i Neny, maharitra ny ditrako, ka izy izao no ilaiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aro-zo/diso-fitia
DISO FITIA
Aro-Zo
Raha hanaiky azy ianao Miangavy an-tanan-droa aho: idifio ny lalako Manahy aho mantsy sao Tsy ho haiko ny hamefy ny hambom-po adalako Raha izy no tinendry Hiombonanao fo, saina sy fanahy Hangina aho f'olon-kendry Ka tsy haniry foana ny tsy natao ho ahy Samy tia 'nareo Fa isika kosa: mpanonofy sy nofisina Ka tsy hiara-peo N'inona hovolena n'aiza hohamafisina Raha toa 'nareo ka hiombona Iereo ny fijeriko hataoko fiononana Ho tsabo hampikombona Ny ratran'ity foko diso fitonantonana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/gasikarako
GASIKARAKO.
RRAG
GASIKARAKO. Kay! Marary loatra ny aiko, toa tsy mety tony, ay! Ny atin’ity saiko, voafato-donilony. Mitaky valifaty, ho an’ny fireneko, saingy manindron’aty, ka hosakanako tsy ekeko. Ka raha hipoaka ny ady, dia aleo koa ny tenako, sy ny fanahiko hiady, ho an’ny fanarenako. Hitaky fanafahana, ho an’i Madagasikara, hitady filaminana, ho an’i Gasikara. Manindrona ahy ny lefoko, manitatra ny feriko, ny ràtra toa tsy lefiko, ny fonao tsy voajeriko. Tsy hita hositranina, hotsaboina ràtra, ry fireneko manina, ‘lay tany nahazatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fetinny-mpifankatia
FETIN’NY MPIFANKATIA…
RRAG
FETIN’NY MPIFANKATIA… Fetin’ny mpifankatia anio, fety tokana isan-taona, fety iray manan-danja, hanokanana fotoana. Hiarahana maharitra, hizaràna ny tsy zaka, hifanomezana hafaliana, hamaritana ny tsy aritra. Fetin’ny mpifankatia anio, fety iray manan-kaja, hifanoloram-boninkazo, hifanomezana arahaba, amin’ny oroka misesy, izay tsy manam-piafarana. Fetin’ny mpifankatia anio, tsy iarahana amin’ny akama. Fa amin’ilay safidim-po, hiarahany mandramaty, ilay safidy soa tokoa, nahay nambabo ny tanaty, raozy iray naneho fitia, ka izaràna ny ao am-po, nahatratran’ny andron’ny fitia, arahabaina ho tratra soa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aro-zo/valiha-may
VALIHA MAY
Aro-Zo
Tinendrin'adala ilay valiha may; k'indro tapa-jihy Ireo mpitsiriritra mpaniry hatrizay indreo rebi-dihy Ny kalo mivalany sy hira mivaona midi-mivoaka injao manako sy miraondraona imasom-bahoaka Teo avara-patana izy hatrizay raha toa tsy tinendry Ankehitriny efa kila sy may fa nilaozan'ny hendry Zavona ireo ranomaintin'ankizy ka ritra maraina f'efa voahidy any anaty valizy ny tena haren-tsaina Tofoka eny ihany ireo voky taona eo am-piandrasana hifohazan'ny lasa tetehin'ny taona holovina am-pasana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-kilalao
FITIA KILALAO…
RRAG
FITIA KILALAO… Fonja iray voafefin’ny rindrin’efa-po, ny fitia mitsiry anaty. Tady, famatotry ny ratsy sy ny soa, ny fo ‘ray miantsampy. Irika fanala, henatry ny tena, ny mandà fitia. Any ka izay rehetra rehetra omena, dia asiana sanatria. Kapoka mianjera, amin’ny sombin’ny aina, ny kilalao fitia. Ivom-paharendrehan’ny soa ‘ray nantenaina, ‘lay sekoseko sy, ‘lay fanariana dia, amin’olona tsy tiana, tsy mba nirin’ny fo. Aiza ho aiza anefa, ny tody sy ny tsiny, raha hovesaram-po? Lesona hany tsara, ny miala ilavidavitra, ny fitia kilalao. Azo atao tsara, ny mihatakataka, ny zava-tsy fanao, olana foana mantsy, ny vokatra otazan’ny fo ‘ray milalao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/foiny-aho
FONY AHO…
RRAG
FOINY AHO… Fony aho taona fahavalo, dia nisy raozy iray naniry, hafahafa fomba fiaina, hafahafa koa fitsiry, teny an-jaridaina hafa, tsy mety lo fa voatahiry. Mena felana, maitso ravina, tsy mba nisy tsilon-draozy, voninkazo tsy mba niavona, sady hafahafa paozy, nitsiry tao anaty fo, namelam-bony ohatr’izany, io ‘lay raozintsika roa, tsy mba nitsiry tamin’ny tany. Tsy natolotro ho anao, tsy nomeko anao akory, notereko tsotra izao, mba hiverina hatory, tsy hifoha hitondra ràtra, toy ny an’ny hafa feno tsilo, raha ny satriko aza, dia hovonoina koa ny jiro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/malagasikara
MALAGASIKARA….
RRAG
MALAGASIKARA…. Fa nahoana no novaina, ny anaranao ry Nosy? Teny hafa toa tsy hilaina, no indray natositosy, nandrafetana litera, nanoritany anao, aiza moa no tsy hianjera, tsy ho tafita izato ianao? Madagasikara, toa anarana hafahafa, tsy nipoiran-drazanao, Madagasikara, ilay anarana nahazatra, niantsoinay anao, foiny ianao ‘lay zanatany, nolavon’ireo vahiny, foiny ianao ‘lay nitomany, tanoloan’ny fahiny. Raha ianao no Madagasikara, fa nahoana aho no Malagasy? Tsy mitovy fiaviana, tamin’ny rafi-teninao, ekeko ianao hoe Gasikara, fa izaho tsy hanaiky ho Madagasy, anarana hafa fitsiriana, saingy iandohan’ny anaranao. Raha Malagasikara ianao, dia izaho no Malagasy, ‘lay nanoritra ny tantaranao, tanaty boky taratasy, izay ninian’ireo mpanjanaka, novàna lohateny, ka ankehitriny ireo taranakao, nanova lela raha niteny, niantso ny anaranao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy-maminy
REHEFA TSY MAMINY
Fredy Jaofera
REHEFA TSY MAMINY Rehefa tsy maminy 'zay zavatra nilaiko dia tsy hita taminy ny toky nantenaiko. Rehefa tsy tohany ny tiako lalandava dia nanao ny lohany izy iny no nandrava. Rehefa tsy lefiny ny vinavina rehetra, io fa tsy voarefiny ny vava be voretra. Rehefa tsy ariny 'zay efa nifotorana dia io fa ny mariny tsy azoko nizorana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-lala-nolalovako
NY LALA-NOLALOVAKO…
RRAG
NY LALA-NOLALOVAKO… Ilavitra tsy efa, ny hiverina hiampita, amin’iny lalana iny. Toa feno sedra loatra, na dia taratra hazavana, sy volamena soa. Mety ho akanim-pahasambarana, satry hitoerana, ihany ny fahiny. Saingy ao no tena onja, vesatra tsy zaka, mety handràtra fo. Tsy vita taratara iny lalana iny, fa lalan-tany ihany, eny hatramin’izao. Feno lavadavaka, feno rano miandrona, sady ratsiratsy. Nefa soa ny fahiny, mamy toa tantely, tsy tahaka ny amin’izao. Nofinofin-dasa, tsiaro ny fahiny, ny hiverina any satry. Satria mahatsiaro, ireo tambitambin-teny, nenti-nampihanta. Nifangaro teny, nifangaroharo, ny masaka sy manta. Izay niaraha-nizara, tamin’ny foto-nipoirana, sy sila-drà fameno. Ny sangisangy ireny, ny ranomasokely, ankehitriny toa tsy heno. Ny lala-nolalovako, ilavitra tafitako, saingy tsy azoko hiverenana. Nofinofy sisa, tsiaro sy tahiry, ‘lay lasam-pandevenana. Izay natototany, nolalorana simenitra, mba tsy hitsiry intsony. Rahoviana indray anefa, vao hisy lalam-baovao, toa azy irony? Ny lala-nolalovako, tsy nofy fa safira, miendri-diamondra. Ivon-dranomasina, sambo mpiandriaka, tsy matahotr’onja.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fandrosoana
NY FANDROSOANA…
RRAG
NY FANDROSOANA… Ny zava-nentinao, no lefona natsatoka, handràtrana ny hafa. Ny rafi-tananao, no fery iray hitarika, hampihombo ny efa maràtra. Moa ‘zao mifankaiza, tsy samy tsy mitafy i? Ny misalaka sy mizipo! Samihafa fitaizana, saingy mitovy fihaingo, asa koa ny ampitso. Fa ny omaly, nitafy fa tsy feno, nianjaka teo imaso. Ny anio indray, mitanjaka mihitsy, tsy misy henamaso. Noho ianao ry fandrosoana, dia miondrika ny tany, mitomany mba mitroatra, tsy henoinao teny akory. Noho ianao ry fandrosoana, dia hisy hahantra hatrany, hiaina anaty adin-tsaina, sy eritreri-tsy hitony. Mba nilaozana ny lasa, nefa hitovizany izao anio, ny fomba ‘zay nahazatra. Mba navalona ny kasa, fa miendrika tadio, toa vao mainka indray mandatsa. Ny lala-niampitàna anio, sy ny endri-pandrosoana, izay tinazan’ity maso. Ka na ny omaly, na ny anio, eny koa na ny ampitso, dia tsy ilaozan’ny ankaso.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-volonakohoko
NY VOLON’AKOHOKO…
RRAG
NY VOLON’AKOHOKO… Indray nisafo ny ivom-pejy, tao anaty aingam-po, toa fitaovam-boatendry, hamakiana ny atim-po, handraketana ho amboara, ho tahirin-dasa, handrafetana ho tantara, hitsarovana ny kasa. Naman-tsy mahafoy, mifamatotra amin-tena, mifaningoningotr’aina, mifampizara alahelo, tsarovy, fa izy koa no fandresena, nandresy ny taraina, tanaty kalom-betso. Ny volon’akohoko, penina hany namboariko, rafitry ny tanako, hanoratako ‘reo ainga, isan-java-bitako, singa iray mba hoe voajariko, ilay tena namako, nanakana ahy tsy handainga, fa hilaza ny marina, nafenin’ny atin’ity foko, ny volon’akohoko ny ahy, toa tsy hosoloiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/raha-tsy-ianao
RAHA TSY IANAO…
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
RAHA TSY IANAO… Eny aky raha ny amintsika efa vitako tsianjery Izaho irery Tsisy an-tery Na ny hambom-poko aza d’efa lasana irery Ka matokia Fa ny sisa teny omeko hanambara ny fitia Doria “Amena”! Sanatria raha vanivany iny toky omeko anao Fa kosa hoy aho Ny anatiko ao Sy izao tontolo izao raha haiko atao Afaka ho anao Tsotr’izao. Tiako ianao dia tiako koa izay rehetra momba ahiko Ao ny fanahiko Toa tsy sahiko Na omena olon-kafa izay hamboiko Hoe tsy foiko. Hoy ny foko: “raha tsy ianao aleo tsy misy”.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/matokia
MATOKIA!
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
MATOKIA! Fa sitrako, tsy foiko, Mamy tsy zaraiko, ‘Lay silaky ny foko Mpisasaka amin’ny aiko. Mangina, mitonia! Tsy very izay natao. Ny valin’ny fitia? Atolotro ho anao… Mba satrinao ihino: Ny foko koa mba babo. Izaho no hanadino? “ambadiky ny adabo…” Malalako, lalaiko, Velona ato anatiko. Mpisasaka amin’ny aiko Mandram-pahafatiko! Vony tsara bika Mandrava-jaridaina, ‘Ndeha laingosantsika Ho santatra maraina. Maraina vaovao Mampando ny fitia, Izaho re, tia anao e! Ka dia matokia! Matokia, satria, Ny antsika ho doria!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izahay-roa-lahy
IZAHAY ROA LAHY…
RRAG
IZAHAY ROA LAHY… Hoy ny vatana: Mifamaly foana, izahay roa lahy, miziriziry izy, hoe manana ny marina, nefa izaho vatana, mahery noho ny fanahy, satria raha tsy eo aho, izy tsy misy hohanina. Hoy ny fanahy: Mieboebo izy, fa matanjaka no izaho, tsy fantany anefa, f’izaho no mitondra azy, izaho fanahy, no mampisaina anao, afaka ialako ianao, f’izay tsy vazivazy. Hoy ny saina: Ianareo roa lahy, tsy misy mba mandinika, tsy mba mijery ilavitra, ny fahadisoan’ny tena. Ianao fanahy, ianao mpibitsika, ianao vatana mpiavotra, fa manam-pahalemena. Toa anao fanahy, mora mivadibadika, ny vatana ihany koa, tsy mahatody ady ilavitra, raha toa misy banga, ny iray aminareo. Mifameno izany, mifameno ianareo. Hoy ny vatana: Marina dia marina, ny ambaranao ry saina, satria aho tsy misy azy, tsy afaka miaina, miriaria toy ireo, voary hafa manam-batana, saingy ny ankamaroan’ireny, tsy ela dia efa any am-patana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kely-vao-lehibe
KELY VAO LEHIBE
Fredy Jaofera
KELY VAO LEHIBE Kely vao lehibe ny baobaba iray, didy izany ange raha toa tsy hay. Kely vao lehibe 'rony ombalahy ka mahereza re, asehoy fa sahy. Kely vao lehibe iny voay misosa, jereo ny foto-pe fa aza dia kanosa. Kely vao lehibe ny olona rehetra : zaza no nandeha, antitra no fetra !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-soratra
NY SORATRA
Fredy Jaofera
NY SORATRA Ny soratra no fomba itenenana rehefa tsy henoina, mamokatra, na dia nanafenana ny saro-bonoina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-voasoratra
IZAY VOASORATRA
Fredy Jaofera
IZAY VOASORATRA Izay voasoratra dia hitohy fa izay voateny dia ho faty ; hivadika ohatra tsy hamoy, mitory ombieny ny ao anaty.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/sary
SARY...
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Rehefa vitako tan-tratrako Dia niondanako ny alina Isan' andro zary vatrako Ny misaina anao ... ka lalina ! Mafy loatra angaha?...Tsy haiko ! ... Ny figodon' ny fitiavako ? Fa tsy mitony izany saiko Raha tsy voatohoky ny vavako ' Zato sarinao mianjaika Tony sy malemy paika. 'Nefa ianao fa mbola an-tsary Ianao d' ianao fa hafa lasy Ka ny foko no marary Rehefa injay voahisy tasy ' Zato sarinao mifatratra Eo am-pototry ny lafatra Fa io no hany mba fijery Toa silak' aina hivelomako Rehefa izaho ka manirery Ho fanafody ivelomako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/fy-mihar-itra-kiady-fy
FY MIHAR ITRA KIADY Fy
al'fy
FY MIHAR ITRA KIADY Fy miharitra kiady Io no anarana ao an-tsaiko na tsy fantatro sokajy Ianao ry sombin'aiko Mbola tsy nahita tany mbola tsy nahita ady Mbola tsy nahita mamy Fy miharitra kiady Anarana ho saloranao... Sahady ambarako eto Na tsy azonao vinany Izay antony hanekeko hoe anaranao izany! Fy miharitra kiady Kiady maharitra hialofako "Fy" izay miraiki-boady An-taona maro norakofako Mbola hatram'izao.... Fy miharitra kiady Tsy fantatrao fa misy Fisaringita-tady Mamatotra ahy mihintsy amin'io anaran'io! Aza lazaina amin'i neny, Fa tsy dia madio 'Ianao mbola hiteny, Dia hifampitafa isika... Ny momba izany indrindra Dia izao no hafarako Matoa aho nandrindra Ny anaranao tsy anarako Dia izao ry "Fy miharitra" Ny ady nifanesy Ny tsy fahitam-pinaritra Ka indro aho resy ...ianao no ho tafita! Fy Miharitra Kiady Ataovy kolotsainao ny rock
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/poeta-sy-poeta
POETA SY POETA
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Mba sambatra ny fo sy finaritra ny saina Mahita vodilanitra tomaratra maraina Mahita voninkazo sariaka an-jaridaina Mahita voromanga mamelombelon' aina Rehefa ny Poeta no tojo izay niriany... Rehefa ny Poeta no sendra izay mba tiany ! Rehefa ny Poeta no tojo izay tadiaviny Rehefa ny Poeta no sendra izay ho tiaviny Mahita tononkira mandresy ny tomany, Mahita fanaperana sy paradisa an-tany, Mahita tsiro miavaka mamy tena mamy, Dia sambatra ny fo ka finaritra aok' izany ! Dia tonga indray mihira ny Poeta sy "Poeta" Ka hamoaka feo manga mambabo ny rehetra Anatin' ny tontolo sy voary tsara rindra 'Lay kanto diamondra sy lafatra indrindra. Rehefa ny Poeta sy Poeta miara-miaina, Mahita vodilanitra tomaratra maraina Mahita voninkazo sariaka an-jaridaina Mahita tononkira mandresy ny tomany Mahita fanaperana sy paradisa an-tany... Rehefa ny Poeta sy Poeta no manaiky... Hiombona eto an-tany !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felan-angoty/ahy-ianao
AHY IANAO
Felan' Angoty
Ahy ianao fa haiko Eo anilanao, no hanaporofoiko sy afaka hamantarana Eny ry lalaiko Fa eo anilanao no tena nahatsapako ny tena fahasambarana Eny hoy ny saiko Teo anilanao no afaka fintinina ny lasan'ny farofy Indro tanisaiko Fa teo anilanao aho, ka tonga fanaperana ny "Vohitry ny Nofy" Ahy ianao Malala Ahy ianao rahavako 'Zaho koa tena tia Koa raiso ny Fitiavako Fa efa AHY IANAO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/ianao-no-tiako
IANAO NO TIAKO
ILIMIM JIVISDI
Na ino-kidona, na ino-kiatra Tsy hataoko hahakivy tsy hataoko handratra Ny ato am-poko malalaka, afaka hitia Saingy efa ianao no ekeko ho doria Vonona aho handresy ny fakam-panahy Arahiko toky tsy misy ahiahy Ianao no efa tiako, safidin’ny foko Ka tsy ariako fa ho kolokoloiko Izaho bandy kely fa mahavita azy Vonona hiatrika ny mariazy Raha toa tsy maha toky, fa hifampitsara Dia ho porofoiko eny ambony alitara Ny ahy ny fitiavako dia toy izany Tsy misy fitaka, tsisy anihany Afoiko ho anao, ilay raozy eny an-tsaha Ho tiako foana ianao, fa aza manahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felan-angoty/fanafodim-pitia
FANAFODIM-PITIA
Felan' Angoty
FANAFODIM-PITIA Tonga daholo daholo Malala 'Lay tsy fahampiana ao anatiko ao Tonga daholo ka dia mamanala Rehefa indray aho ka tsy anilanao Tonga daholo ka tsy afa-miala 'Reo somembisemby amanalin-ky isa Tonga daholo ao an-tsaiko tsy miala 'Reo endrikao kanto ka voavisavisa Tonga daholo daholo Malala 'Lay hanina anao ka dia indro misaona Mijaly, Marary,Mila ho lasa adala Ka toy ny vao omaly aho no tonga fotoana Tonga daholo ny olana akia! Soa teo ianao fanafodim-pitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/vavaka
VAVAKA!
ILIMIM JIVISDI
Tompo ô! Aoka re raha azo atao Aza Ariana fa hiantrao Ity mpanota mitalaho Mitady fiainam-baovao Efa maro ny adalako Sy ireo vokam-pahotako Aoka re ny fahazazako Ho mendrika mba andovako Eo an-tratranao irery Arovy re mba tsy ho very Tompo ô! Ao am-poko re mba misy Hazavana ho dradraina Saingy indro fa indrisy Efa voky ferinaina Ka tsy afaka manaotra Fa aminao irery sisa No anaterako ny dia, Fa ny lalam-paradisa Mba omeo ry tompo tia! Amen!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/tsy-mety-fantany-tsy-m
Tsy mety fantany ilay van
al'fy
Tsy mety fantany ilay vanim-potoana, Ny ora sy andro, ny volana koa, Raha tsiarony mantsy dia tsiky foana, Raha vinany mantsy dia tony ny fo. Tsy mety fantany ilay zavatra vita, Tanaty alin-kitroka tsisy hazavana, Raha tadidiny mantsy fa toa paradisa... Ilay rojon-kalo voahary hafanana Tsy mety fantany anie fa tamin'iny, Ny fony nidoboka, nanikam-pitepo. Raha tsaroany mantsy dia ny ankehitriny, Ny volam-baliaka, miventy alim-betso! Tsy mety fantany, iniany tsy fantarina... Atahorany angaha fa hanimba ny misy, Raha hovoatraina dia fandrava ny marina, Ka ny fon'olon-tiany hisioka hoe indrisy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/indray-fahavaratra
"Indray fahavaratra..."
al'fy
"Indray fahavaratra..." Iny lalana iny sy izay teny imorony; No vavolombelon'ny fitia izay natolony, Ny tanako efa mando nandrazona ny sorony, Ny molotro naniry ny hitohaka ny molony... Izy 'lay nangina, izaho 'lay tsy niteny, Ireo fanahinay no niainga teny ho eny, Ny doboky ny foko, angamba efa reny, Ny tavany mirana, no nifantohako fijery... Fa ny orana nikija nanda ny fitsaharana... Ny tongotro namindra tsy nahatsapa asasarana... Ny hatsika namonto, natao ho fahasambarana, Tsy nosainina ho aretina, efa am-baravarana... Tsy lakana intsony aho fa botry... hoy ny feony; Mbola ho any angaha indry... hoy ny namany... Nomeny elo aho, ary akanjo ba... Iny koa no farany...... Indray fahavaratra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/miharitra
MIHARITRA
ILIMIM JIVISDI
Raha vitan’ny hoe tsy hiteny intsony aho Dia efa ela no nanadino anao Raha vitan’ny hoe samy efa leo Dia efa tena ela no efa vita hatreo N’efa ilay toky nifanaovana fahiny Dia samy mba miharitra tsy misy omena tsiny Na ahy ny fahotana, eny na anao Dia hiaretana daholo, zakaina tsotr’izao Ka aoka re ianao, amakafaka tsara Fa raha isika izao, tsy hisy ho lany zara Ny toky no jereo, ny voady tadidio Fa raha izaho indray ny foko dia madio
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/tarainanny-bandy
TARAINAN’NY BANDY
ILIMIM JIVISDI
Be ny sipa mikafara Manambany fa hoe tsara Ka ny bandy mitomany Atao fitaovana hiasany Nareo vehivavy mati-kambo Ka manao fihaza lambo Isan’andro dia mandripaka Ka ny toky lasa fitaka Dia taraina no mivoaka Ho an’ny bandy tsisy apoaka Tsisy toerana satria Tsy mba afaka mitia Antso avo ho anareo Sipa mbola miaka-peo Raha toa ‘nareo hitady harena Aleonay mamono tena Ka izao tarainanay izao Mba henoy raha azo atao Fa mitaraina, miangavy Amin’ nareo ry tovovavy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/voady-mandra-maty
VOADY MANDRA-MATY
ILIMIM JIVISDI
Masina ny toky izay omeko Teny kely iray ho dradraiko Ianao irery ihany no ekeko Ho paradisan-tany sombiniaiko Ny molotro hanoroka anao Ny masoko handà ny valifaty Ny peratra raha toa ka sitrakao Ho taratry ny voady mandra-maty Voady izay tsy hanam-pahataperana Ho toky eny ambony alitara Fitiavana efa tsara toerana Ka anatry ny dimby sy ny fara Tiako ianao, eny nofidiako Ho ravakin’ny fiainako tontolo Voady mandra-maty no iriako Ho fitia anolon-droa voakolokolo Iriako mba aharitra, hateza Ny fontsika roa te hiray Avia ry Malala, mahereza Fa izaho ho anao mandrakizay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/ny-foko-voagafy
NY FOKO VOAGAFY
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Fa betsaka ny soa, hanananao ny tafy, Ny foko ihany koa, mba afaka mihafy, Misedra ny toloko izay nafafinao… Ny onjan’ity foko, nataonao kilalao. Fa lavitra ny dia, takatrao ny tsara, Ny foko mbola tia, kanefa voarara; Naleonao ho rotika, niniana ho simbaina, Ny foko efa potika, nizaka ferinaina…! Fa maro koa ny mendrika, azonao ny tiana, Ny foko mora rendrika, voadona ka mangina, Tsy mba manan-kery handà ny voasoratra, Mangina samirery fa tsy afaka miantoraka! Fa maro ny saranga, safidinao ny ambony; Ny foko efa jamba ka tsy hitepo intsony, Aleoko dia mihafy, hangina sy hivavaka Ny foko voagafy…hitepo anaty lavaka !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/fitia
FITIA
ILIMIM JIVISDI
Toa tsotra ny fambabo Ny resaka fitia Fa fandrika mandavo Raha sendran’ny tsy tia Ka afo mitsolopy No kiry mba ho hery Fitia no feno toky Saingy mora very Kanefa tsy adalàna Fa tonga hoazy tao am-po Toa afo tsy voatàna K’atao ahoana moa!? Fa tsotra ny fambabo Ny resaka fitia, Fa fandrika mandavo Raha sendran’ny tsy tia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/tadidiny-ihany...-nata
"Tadidiny ihany..." Nata
al'fy
"Tadidiny ihany..." Nataoko ho sangy ny fihaonana taminy, Modiko nafenina ny areti-poko... Tsy hanaitra ahy 'zay fitomaniny Na efa migadona ampara-toloko... Modiko tsy ho tsapa.... Niezahany hondanana ny vata-tratrako, Kanjo reny tao ny doboky ny foko, Nitsiky kely kala, nitsapa ny ratrako Toa sendra vato, fa nitady toko... Tratra teo ny laingako.... Lazaiko fa tsy fantany, tamin'izany... Moa ve ny loto, tsy afaky ny sasa No mbola tsaroany, tadidiny ihany.... 'Reo singa-tantara?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/fermer-hasinavalona-ftsn
Fermer Hasinavalona Ftsn
al'fy
Fermer Hasinavalona Ftsn "HATAKA" Ireo fiforetan'aina Am-po tsi-miloaka Mahazo anay vahoaka Hilaozan'ny maraina Difin'ny vola-tsinana! He! ny vavanay tsy mihinana Raha tsy risoriso. Na efaina rahampitso Ny saram-panolorana! Ry fanasina ô! avia! Hamasino re ny fo Mba hino sy hanka-to 'Lay Ray be fitia Nasolonay ireo sampy Nitadiavanay izay ampy Filan'ny nofonay ketraka Hianjadin'ny hetraketraka Maika koa nofantorana! Fanasina ô! hitodio Ny hatakay valio He aza ny asan'ny poeta Ny mpihira sy mpikalo Niova ho hararetra, Handosiran'ny mpandalo! Mila anao ny fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felan-angoty/diso-tia-anao
DISO TIA ANAO
Felan' Angoty
F'izao,...Rehefa any ianao Izy tsy hikasika ny vata-tenanao Tsy hikitikitika na singam-bolo iray Maika aza izy faly fa hahita anao indray Hijoro eo anoloany Dia ny zavatra hataony Mino aho f'holazainy anao 'zay hetaheta Mikoriana anaty fony Ho lazainy anao fa ny fiainany rehetra Sy ny sombiny fitiavany renoka matory Mbola tiany omena Ka manana fo onena sy fo mahay mangoraka Ho an'ity adala resy tsy mba potraka DISO TIA ANAO 13/Nov/18
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/hetraketraky-ny-tany
HETRAKETRAKY NY TANY
ILIMIM JIVISDI
Ny hetraketrakao ry tany mafy loatra ka tsy zakako Fa mampiferinaina hatrany , mampody indray izato lasako Ny lasako izay feno kiry, alahelo anolon-tiana Tantara ratsy voatahiry ka nokoboniko mangiana Dia noho ianao ianao ry tany, miangatra anjara vilana Ka ny foko mitomany sendra anjara mitongilana Vao nitia aho dia voarara tsy mba manana safidy Fa ilay Malala tsy anjara, no tamberina tadidy Ka ranomaso lava izao, no ventsoventso mampiray Fa noho ilay hetraketrakao dia tsy voalahatra ny anay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/ianao
Ianao…
ILIMIM JIVISDI
Ianao ilay fanafody manafaka ny fery Ianao ilay hafaliako, ianao samirery Ianao ilay dalià mibaliaka vao maraina Ianao ilay raozy fotsy mampierika ny saina Ianao ilay hirahira ventesiko mazàna Ianao ilay tositosy mitondra hafanàna Ianao ilay kolokolo fangadiko mangiana Mikalo diavolana halohan’ny hatoriana Ianao ilay diamondra karazam-bokovoko Sombim-bolamena manakona ny foko Ianao ilay tsy ferana doroana fa tsy may Ianao ilay olon-tiako, sakaizako hatrizay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/rano-nampivaralila
RANO NAMPIVARALILA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
RANO NAMPIVARALILA indrisy...! ny saiko ity sondriana, mihanoka hadalàna toa variana dia variana tetsy am-patsakàna hadala va ny saina sa minia tsy mahalala? fa ny rano natsakaina no toa nahalasa adala ny rano nosotroina, no indro nampidola ny tena tsy tsaroana hay lany koa ny vola angamba! fantatrao ny taoka, fa mampivaralila! fantatrao fa aoka, koa hirao ny tononkira hoe: "andeha hody aho dieny tsy mamo". Nosoratan'i R-R Mahavonjy Aimé
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/taratasy-ho-anizay-hosafidinny-foko
TARATASY HO AN’IZAY HO SAFIDIN’NY FOKO!
RRAG
TARATASY HO AN’IZAY HO SAFIDIN’NY FOKO! Eto am-panoratana aho, tsy mbola mahalala, na mahafantatra akory, anao ilay ho anjarako. Fa ny penina no hasosako, tsy hasiako salasala, fa ho tiako ianao, ilay voasoritry ny tantarako. Tsy ny endri-tavanao, tsy ny bikan’endrikao, tsy izao tontolo izao, no mety hitiavako anao, fa ‘lay toetranao malefaka, tia mijery ny madinika, ilay fahatsoram-po milefaka, tsy manary na dia bitika, tsy manary ireo ‘zay reraka, noho ny adiadim-piainana, olon’ny fo tia miresaka, mora fo ka hitarainana. Mahandry fo iray mihevi-tena, fa tsy tiana saingy tia, manam-po ‘ray manantena, noho ny hamafin’ny fitia, mahavita mihazon-tady, atahorana ho tinapaka, fo iray manaiky sahady, fa vao tia dia tafalatsaka. Hiandry anao aho, eny hiandry, na tsy hoavy aza ianao, hiandry anao aho, ary hahandry, na dia tsy ho izao dieny ‘zao, ary ho hantenaiko foanafoana, fa ho tonga ianao hameno, na rahoviana ilay fotoana, dia ianao no fantatro mahafeno, ireo banga eto amiko, ilay fo manaiky ho tiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fakam-panahy
FAKAM-PANAHY…
RRAG
FAKAM-PANAHY… Raha toa ny fonao, ka tsy ho atolotrao ahy, dia ajanony dien’izao, ity fakam-panahy! Raha toa ny fitiavako, tsy mba horaisinao, aleo aho rahavako, hangina tsy hitalaho.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/andriamanitra-
ANDRIAMANITRA Ô!
RRAG
ANDRIAMANITRA Ô! Tsy te hibaiko aho, saingy toa voatery, voaterin’ny vintako, hitroatra noho ‘ty ràtra. Tsy misy haiko aho, f’indrisy mba mijery, mijery ny tsy hitako, lazaina hoe voakasa. Voalahatrao nialoha, ry Raiko ao ambony, ny taintainako eto, toa tsy mampitony. Fa satriko izao, dia ho fantatro ny hoavy, satriko avy hatrany, tsy hisy ankiandriandry. Andriamanitra ô! Ifonako aminao, raha toa aho handidy, hibaiko ny herinao. Fa mafy loatra re, ny fiainana zogaiko, mavesatra ny fery, nomenao holanjaiko. Andriamanitra ô! Tsy hoe sanatria, hisalovan’asanao, fa satriko dia satriko, hiala amin’izao, izao ferinaina, tsy misy fanafodiny, Andriamanitra ô! Izay ve ‘lay hoe todiny? Todin’ny natao, tsinin’ny efa vita, ry Andriamanitra ô! Aleoko aho tsy hahita, tsy hatazana izany, hirifirim-piainana, ‘zay lapan’ny tomany, hitoeram-pitarainana. Ry lanitra ô! Melohy aho raha toa, manevateva anao, Andriamanitra ô! Ifonako ny vita, sy ireo izay natao, nanosy ny hasin-danja, fa eo re mba henoy, ny ràtram-poko Ray ô! Eo koa mba tsaboy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozy-mainty-an-jaridainako
RAOZY MAINTY AN-JARIDAIKO…
RRAG
RAOZY MAINTY AN-JARIDAIKO… Raha nandinika aho nijery, nitinazana ny hitako, dia ‘reo miendrika anjely, ny volon-draozy naparitako, nanoloana ‘lay saha, saha fivoliko ‘reo lisy, taitra tampoka aho anefa, nanahy ‘ty raozy iray indrisy, hafa loko, hafa fiaina, hafa toetra, hafa fomba, tamin’ny raozy novoleko, izy irery no voafonja, voafatotry ny felan’ireo lisy maro be, izy irery no raozy, namaky felana lehibe. Raozy mainty an-jaridaiko, nampivarahontsana ahy, tsy mba voa nolalaiko fa, nitsiry ho azy teo antsaha, izay sahan’ny fifaliako, zary niova sahan-tomany, nitsiry izy tsy niriko, dia nanindrona ahy hatrany, nanitatra ny tadin-jaitrako, izay namatotra ny ràtra, nanindrona ahy toa tsy laitrako, ity raozy tsy nahazatra, tsy fahitako antsaha, an-jaridaina toy izao, ianao io raozy io, ianao dia ianao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-lalam-piainako
NY LALAM-PIAINAKO…
RRAG
NY LALAM-PIAINAKO… Mbola teny an-kibonao ry Neny, tsy nahalala sedran-tany, dia efa vesatrao irery, eny ho hatreny ambany tany. Sivy volana aho tan-kibo, tsy navelanao ho noana, andrinao ry Neny tiako, na dia lava ity fotoana. Menavava aho vao teny, teny an-tananao ry Dada, notrotroinao ‘ty zazakely, tsy mba nahalala niarahaba. Ianao no nampitafy, ahy irony lamba fotsy, ianao ry Dada tiako, no reko mba nandrotsirotsy. Tsy hadinoko ry Neny, fa ianao no nampinono, ianao ry Zokikely, no nikapoka ‘zay namono, i Zokibe nisangisangy, nampangina ahy tsy hitomany, tao koa ‘reo tambitamby, nitondra fifaliana hatrany. Vao nandeha aho dia i Dada, no nihazona ny tanako, ianao ry Neny tokako, no nanohana ahy tsy ho lavo, i Zokikely no nitarika, nanoro ahy izay ho lalako, i Zokibe faniloko iny, no nampiarina ahy raha lavo. I Neny indray no nanatitra, ahy hamonjy lakilasy, i Dada no nampianatra ahy, mba hahay ny taratasy, ireo zokiko nitsena, ahy nirava, tany am-pianarana, toa efa fantany ny lera, firavàn’iray fianarana. I Dada no nananatra, ahy mba hahay hijery lavitra, i Neny no nampianatra, ahy hisaotra an’Andriamanitra, tamin’ny fiainana nomeny, nandritr’ireny lalam-piainako, misaotra re ry Dada sy Neny, fa misy izay mba hisaintsainako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandresy-fahantrana
MANDRESY FAHANTRANA
Fredy Jaofera
MANDRESY FAHANTRANA Mandresy fahantrana dia tsy resa-pitiavana fa asam-pahamarinana tsy azontsika ialana misy fahasoavana, feno fanambinana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-soratrao
NISY SORATRAO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
NISY SORATRAO! nisy soratsoratrao tavela tato am-poko tsy haiko nohadinoina tsy haiko nofafàna f'efa solona fitomboka mamaritra ny foko nisy soratsoratrao tavela tato an-tsaiko nohezahiko hadinoina modiko tsy tsaroana saingy efa toy haniko ny soratsoratrao nisy soratsoratrao tavela tan-diariko ireo sora-mitalaho mitantara ny alahelo no narafitrao an-dalana hay ianao 'lay tena tia nisy soratsoratrao mitantara ny amintsika narafitrao ho rima toa miafina ao daholo ny alahelonao rehetra saingy ny sisa azo atao ny mandinika mangina izato soratsoratrao! nosoratan'i R-R Mahavonjy Aimé
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/eny
eny
al'fy
"ENY..." Eny, nanafina aho satria... Tiako ho voasedra, dia ny ety am-piandohana; Ny izin'ny fitia... Sao ho fitia tsy mahazaka fankalana: Na taitram-pilana... No voatolotro ho andry... Eny, eny tena eny Fa tsy sarin'eny miangoty fotsiny ihany No anton'ity teny, Fitorim-pitiavana, tsy misy tomany, Nambarako androany Ho tena ENY...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manimanina-ny-fahazazako-aho-izany
MANIMANINA NY FAHAZAZAKO AHO IZANY…
RRAG
MANIMANINA NY FAHAZAZAKO AHO IZANY… Toa satriko ry lahatra, ny hitoby toa anao, an’efi-trano tokana, tsy misy fiovana, satriko ny hitsahatra, izao dieny izao, ny taom-pisondrotana, nitondra fanovana. Tiako loatra izany, miaina fahazazana, ‘lay akany volamena, tsy mbola lefy laza. Mba tiako koa ny hoe, akaiky tambitamby, tsy hisy mpiara-monina, hifanenjan-tsandry. Manimanina ny fahazazako aho izany, toa tsy hadinoko, irony hamamin-tany. Voarakotra fitia, sy hantahantan-teny, satriko ry lahatra, ny mba hiverina eny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fara-veloma
FARA VELOMA…
RRAG
FARA VELOMA… Eto amoron-tevan’aina, famatotr’ain’ny tany, aho no miandry ora. Tsy afaka mitafa intsony, tsy mahateny firy, fa misento moramora. Manao veloma farany, anaty fijery manganohano, tsy mahalatsa-dranomaso. Veloma ianareo fa, izao no tiany, izao no tian’ny ankaso. Fara veloma ny ahy, fara kopakopa-tanana, fa tsy afa-mifandray. Fara veloma ny ahy, tsy hisy intsony, ilay mandrapihaona indray. Fa ny aiko hiverin-tany, hody vovoka, toy ny foto-nipoirako. Veloma ianareo, fa any ambany rangolahy, no fasana hisitrihako. Ka ny fara velomako, tsy toy ‘reo lasa, sy izay rehetra efa vita. Satria tokoa mantsy, hifandao fa, tsy hihaona intsony isika. Tsy hifankahita, fa hifanalavitra, toy ny hatrizay. Dia veloma, tsy asiako mandrapihaona, fa veloma mandrakizay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-asa-soratro
NY ASA-SORATRO…
RRAG
NY ASA-SORATRO… Ny aiko mora lo, mora levona sy ringana, miovaova lasy, miovaova dingana. Fa ny saiko kosa, sy ny soratry ny tanako, dia hiahy hiavosa, hanoritra ny lalako. Hamarana ny fetra, voasoritry ny lahatra, iny asako iny anefa, tsy hangina tsy hitsahatra. Ny asa-soratro, tahiry sy tsiahy, iny asako iny, no handrava ny ahiahy, manarona ny lalan’ny hafa toa anao, fa raha ny aiko kosa, dia mety ho foana izao dien’izao. Tsy misy hatak’andro, tsy misy andrasoandraso, dia anatin’iny soratro iny, no ‘ndeha, mamafa ranomaso!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fianarana
NY FIANARANA…
RRAG
NY FIANARANA… Mety handroso ny tontolo, mety hiroso i Gasikara, Mety ho rava izay natsangana, azo harenina ny simba, fa manan-danja ny fianarana, ‘lay zary toa voazimbazimba. Ny fianarana no lova, itovizana amin’ny hafa, ny fahalalana no hany rova, hahatanteraka ny kasa. Satria izao tontolo izao, mety hivadika ho lavenona, fa ny fahaizana anatinao, dia anao raha mbola velona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anio
ANIO…
RRAG
ANIO… Anio dia migadona indray ny ora iray, ora mpandalo, toy irony omaly, mitovy sokajy, sady toa mifandray, ora iray kanton’ny fo falifaly. Rahampitso izy hiezaka hiverina eto, hitsidika indray ny akaniko kely, hanotra mora ny foko hivetso, hitondra ny mamy, hitondra tantely. Ny hoavy izy hinoako fa mbola himpody, toy ny anio sy ny omaly ihany, fa ny antsoko rehetra toa tsapako ho tody, reny hatrany amin’ny faravazan-tany. Anio dia migadona nanao toy ny omaly, ilay ora-pitiavako, niandrasako foana, saingy misy miteny hoe: “Ny fo falifaly, tsy maintsy hitomany, hangina hisaona”. Nefa tsy ataoko, famatotry ny tongotro, ny sakana entin’ny laha-piainana, fa atohoko amin’ilay tiako ny molotro, hiarahany mamaky amiko ny lalam-piainana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izaho-sy
IZAHO SY…!
RRAG
IZAHO SY…! Izaho sy ny fanahiko, iray fitoby aina, miray ahiahy, miombona taraina! Izaho sy ny fanahiko, samihafa fomba, samihafa toetra, fa mitamba-ponja. Izahay roa lahy, mitovy vazo tiana, mitovy faniriana, fa mifanipa-bina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-raozy-iny
INY RAOZY INY…
RRAG
INY RAOZY INY… Ao anatin’iny raozy iny, no ametrahako ny foko, raozy atokako ho anao, satria iny raozy iny, toa anao ilay tsy foiko, tsy foiko koa hatramin’izao. Ao anatin’iny raozy iny, no amborahako fitia, fitia mitoetra ao anatiko, satria hinoako fa, iny raozy iny, no mampitovy ny dia, vao renao ny antsoantsoko. Ao anatin’iny raozy iny, misy amboara tsy mifoha, re hitroatra haneho ny aty, satria tokoa mantsy, iny raozy iny, vony iray mba manam-po, nandrava felana ho vaky. Ka ao anatin’iny raozy iny, no atobako ny soa, ho fanasoavako ny tiana, satria toa iny raozy iny, no anakinako ny fo, ho anao ilay nirina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-rindrinefa-pahazazako
NY RINDRIN’EFA-PAHAZAZAKO…
RRAG
NY RINDRIN’EFA-PAHAZAZAKO… Mbola zaza aho ry Neny, dia norakofanao ‘reo tamby, ry Dada toa tsaroako ireny, hikahikan-tsangisangy, toa zaridaina hafakely, tsy mitovy amin’ny hitako, hafa ihany ny fahakely, na nisy bedy noho ny ditrako. Ilay teninao ry zoky, tenin-joky be fitiavana, ‘zay nampitraka ahy raha trotraka, ka nianjera nitomany, ireny teny feno toky, tsy mba nisy fanavahana, no toa soa narotsakao, nantenaina hitondra mamy. Vinavinan’ity foko, ny mba hanan-jandry, toa anao, saingy indrisy toa tsy hinoako, fa lavo izy amin’izao, tsy haiko mampiarina, fa nototofam-bovo-tany, ny foko rehefa manina, dia mandrotsaka tomany. Ianareo no rindrin’efatra, rindrin’efa-pahazazako, ianareo no tsy mba ketraka, na nazeran’ny hadalako, na dia telo aza sisa, ny rindrin’efitry ny aina, dia hinoako fa ho vita, ho resintsika ny taraina. Hodikaintsika ito alina, minia mamerina ny lasa, dinganintsika ny tsy marina, ka nandrava irony kasa, ny rindrin’efa-pahazazako, hiarina eny foanafoana, tsy voazeran’ny hadalako, tsy ho lon’ny fotoana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/mba
MBA
al'fy
"MBA..." Mba nindramiko 'lay lalana nodiaviny iny; Hamantarako ny misiny, izay nafeniny ahy... Niniako nokosehina ny lasanay fahiny; Hanomezako sehatra ny anion'ny ahiahy.... Mba nolazaiko tsotra izay voatahiry tanatiko, Tsy nanomezam-baliny, fa niavonany aza... Ho vonoiko amin'inona ity afo tsy matiko; Ho soloiko inona, fa nataony tsy sahaza! Mba.... aoka sao hampiady!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maso-nifanojo
MASO NIFANOJO…
RRAG
MASO NIFANOJO… Bikàna toa anjely, ‘ty zazavavy iray, maso mba nitopy, no indro tafaray, sariaka tava loatra, ka nambabo ny fijery, ny foko izay nitroatra, no nitondra misitery. Maso nifanojo, sendra nifampitazana, fo roa sendra tojo, tojo fisandratana, samy tena tia, resin-jery tokana, te hiara-dia, te mba hifamolaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/satria...-satria-misy-sa
SATRIA... Satria misy sa
al'fy
SATRIA... Satria misy saina Mampitadidy Ny zavatra lasa Niaraha-nanao... Satria misy aina Migoka mangidy 'Zay feno ratra Nilaozanao... Rava fitia...! Satria hisy fo Handraraka indray Ny voni-manitra Feno fitiavana... Satria hisy koa Rahatrizay Fotoana salanitra Fotoam-piotazana Fanahy miara-tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fialantsasatra
FIALAN-TSASATRA…
RRAG
FIALAN-TSASATRA… Ry Iarivo anio indray, dia tinazako ianao, efa elaela izay, ny foko tsy nahita anao. Niandry andro, niandry taona, niandry volana hivalona, niandriandry ‘ty fotoana, ahafahantsikaroa, mifankahita toy izao. Ry Iarivokely ô! Nalahelo anao ity ‘zaho. Fialan-tsasatra isika, vao afaka mifampitafa, mifampiresaka indray, mifampizara irony lasa. Saingy ny anao ny alahelo, no mameno ny aty fo, ry Iarivokeliko iny, mahareta fa hanan-tsoa. Asa anefa, ho haritrao o? Ity feom-basy lava, asa raha ho zakanao, ilay fanavahan-tava, hanosena ny madinika, toy ny ataon’ireo mpitondra, ka tsy hamela azy ireo, raha tsy mihidy any am-ponja. Fony izaho sy ianao ry Iarivo, ilay nifankahita farany, dia efa nitomany ianao hoe, tsy hahaleo ny vidiny ny sarany. Amin’izato setrasetra, enti-mandrava ny hasinao, ry Iarivokeliko ô! Tena tsy hitako ny atao. Tsy ho ela koa anefa, dia hisaraka isika, ny fotoam-pialan-tsasatra, efa madiva ny ho vita, asa indray izay hosoritin’ireo fotoana maro, izay hifandaozantsika. Indrisy anefa ry Iarivo, fa izaho tsy hahita, tsy hahita akory, izay mety hahazo anao, mahareta ry Iarivo, fa anjarany izao, ny ampitso nefa anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/topimaso-nifandray
TOPIMASO NIFANDRAY…
RRAG
TOPIMASO NIFANDRAY… Ery amoron-drano, ilay fisasànao, no misy ny efi-trano, fitoeran’ny talaho. Eny no maniry, ny raozy dian’ny fo. Teny no nitsiry, ‘lay fitia raha vao niandoha. Topimaso nifandray, no namatotra antsika. Fo efa te hiray, no indray natambatsika. Hitambatra ho iray, famato-dani-tany. Ho mandrakizay, ho topimaso iray hatrany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mba
RAHA MBA…
RRAG
RAHA MBA… Raha mba maso mantsy aho, dia afa-nankafỳ, ilay hakantonao. Afaka nitosy, teny an-tratranao, na nofy aza izao. Afaka nisafo, ny endri-tavanao, dia naka tsiron-tsiky. Mba vetso toy izao, no tiako hatsipy. Raha mba rivotra aho, afaka miserana, matetika aminao, hamaky ravim-pelana. Hanainga ilay takonana, manarona ny henatra, dia avy aho hiantoraka, hanao fiavian-tselatra. Raha mba izaho ‘lay rano, fisafonao ny tava, fitahirinao an-trano, fanontsananao ny vava. Dia afaka hikitika, ny lefaky ny molotrao. Afaka ny hibitsika, amin’ny atim-ponao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitiavanny-tsy-tiako
FITIAVAN’NY TSY TIAKO…
RRAG
FITIAVAN’NY TSY TIAKO… Mba tsy handràtra fo, hamery ny ao anaty, haningo-panindroa, ny felana miranty, manaingo zaridaina, toy ny fitiavanao, dia aleo ekeko, ekeko tsotra izao. Ekeko ny hanalavitra, ‘lay tiako izay tsy tia, ka horaisiko eto, ny fitiavanao tsy tiako, satria hinoako mantsy, fa tsy ho tafara-dia, izahay roa, na hivadika aza, ny pejin’ny ampitso. Ny fitiavanao tsy tiako, mety hanaja ahy, hametraka ny hasiko, hanome fahafaham-panahy, hahatsapa fifaliana, raha manakaiky fo, ho lavi-pijaliana, hahita izay mahasoa. Fitiavan’ny tsy tiako, ny anao fa mety hanjaitra, hamafa lotom-pery, maimbo efa tsy laitra, tsy zakan’ny hafa intsony, ankoatra anao tsy tiako, raha sainiko tokoa dia, toa ianao no tiako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eo-ary-fa-fahanako-eh
EO ARY FA FAHANAKO EH!
RRAG
EO ARY FA FAHANAKO EH! Sokafy ny vava, ‘ty atelomy, araho tsiky lava, dia ho renao ny fony! Ny tsiron’ny hatsarany, mambabo ny lela, tapero hatramin’ny farany, dia aza asiana tavela.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-pejy-iny
INY PEJY INY…
RRAG
INY PEJY INY… Aza hadinonao ry tiako, ilay pejin’ny fanahy, ary mba hiriko, ny hanofisanao ahy. Misafo moramora, ny tavanao malefaka, manala ny adin-tsaina, zary entana mavesatra. Iny pejy iny, no hany tokana akany, fifandrombonantsika, mizara ireo fitia. Iny pejy iny, ary iny irery ihany, no ilavitra hatsiaka, tsy misy sanatria.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miangatra-ny-lanitra
MIANGATRA NY LANITRA
RRAG
MIANGATRA NY LANITRA Miangatra ny lanitra, fa misy ao sahirana tsy misy mba atelina, osa sy mahantra, zara raha mahita, nefa tsy hahavelona. Miangatra ny lanitra, fa misy any olona, manary ny an-tanany, manana ny ampy, saingy tsy ny mahantra, no handeha hitanty, ireny fahasasarana, sy sisasisan’ny hafa, fa ireo alika, mpiandry ny tanàna. Miangatra ny lanitra, fa mbola misy ihany, ireo mainty miady, amin’ny fanavahana, saingy tsy tsikaritra, satria efa mainty, ka tsy mba raisin-tanana. Miangatra ny lanitra, fa misy koa kamboty, miandry fahafatesan’ny nahita-masoandro, izay sisa tokana, hany miahy azy, anaty latsalatsa, sy eson’ny mpitazana, efa manana ampy, homana isan’andro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-onja
I ONJA…
RRAG
I ONJA… Any ianao ry Onja, ‘lay tovovavy tokana, nanova ny fijeriko! Nanafaka ahy tam-ponja, nanasa ny hosim-potaka, namafa ny hombom-periko. Any ianao tsy hita, tsy fanta-piafarana, tsy nahenoam-baovao! Ny foko aty mahatsiaro, manina anao, ka reko mitalaho. Toa satriko tsy hisy, ‘ty andro fialàna sasatra, raha lavitra anao. Toa satriko mihitsy, isan’andro hianatra, fa tiako hahita anao. Ny masoko efa jamba, tsy mahita intsony, ankoatra ny endrikao. Indrisy ry Onja, fa toa tsy mety ho sahiko, ny hamboraka izany, anoloanao. Ry Onja! Satriko dia satriko, ity taona ity, tsy hitovy tamin’ny lasa. Saingy tsy afaka aho, tsy afaka aho ry Onja, tsy afaka ny hikasa! Hanakana ny soritra, voarafitry ny lahatra, sy ny tendry nialoha. Ka tsy maintsy hivarina ito, dia ny azoko atao, dia ny mampitony fo. Saingy toa tsy ho vitako, raha toa ka mbola ho tazako, ‘lay endrikao sariaka. Satriko tsy ho hita, raha handrakotra ny taratry ny masoandro tsy hibaliaka. Toa resinao sahady, ny foko ‘lay nisakana, fitia ‘ray tsy hitsiry. Raozy misy tsilo ny ahy, ‘lay teo antsahan’ny fo, no nirobona naniry. Ry Onja tokan’ny aiko, nofy ihany ny ahy, ka tsy ho tsapanao. Saingy holalaiko, anaty aingam-panahy, ilay anaranao. Hotehiriziko iny, tsy hofafako mihitsy, fa diary iray voalohany. Ny anaranao ry Onja, no lohatenim-boky, hisoratra amin’ny lohany. “Atolotra ho an’i R…… Onja …? Ilay tovovavy nanaitra ny torimasom-pitiavako voalohany sady fanomezako miafina ho azy, ho amin’ny fitsingerenan-taona nahaterahany anio” (Fantatro dia fantatro tokoa ny anarany feno saingy tsiambaratelon’ny fiainako izany, fa eny na dia i Onja ilay nanolorako ity tononkalo ity aza dia tsy mahalala izay ato am-poko).
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofinny-tia-sy-ny-tiana
NOFIN’NY TIA SY NY TIANA…
RRAG
NOFIN’NY TIA SY NY TIANA… Fantatr’ialahy ve ny ambaran’ny foko? Te hiteny izy hoe: “Banga tsy feno, ny efitry ny foko, ny feonao tsy heno, raha sendra antsoiko, tiako aloakanao, ‘lay teny hoe tiako, na dia izao dieny izao, izany dia iriko”. Raha fantatrao anefa ny anatin’ny foko, dia mety hoy ianao hoe: “Maizina loatra, ‘ty akanim-pitiavana, toa tsy mba mivoatra, fa mbola fandàvana, toy ny omaly, no indray miverina, dia mbola hijaly ve, ‘ty foko badenina?” Tsy tsapan’ialahy anefa ny tena hakanton-pitiavako. Fa mety hoy ialahy hoe: “Mitovy tokoa ny foto-nipoirana, samy avy amin-tany, samy zana-tsahirana, samy tia nefa kosa, sakanan’ny lahatra, hiadivako ianao, fa izao tsy hitsahatra.” Raha tena fantatrao ny tahotry ny foko, dia hilaza ianao hoe: “Kanosa loatra lahy eh! ‘Ty voro-mpihaza, sa variana amin’ny lalao, fanao fahazaza? Ka tsy mba mahalala, fitiavana akory, tsy hinoako aloha eh! Tsy hinoako hoe resi-tory.”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hiravina-ny-taona
HIRAVINA NY TAONA…
RRAG
HIRAVINA NY TAONA… Ela ihany ny ela, fa hiravina ny taona. Ela ihany ny ela, fa ho dify ity fotoana. Hivadika isa tokana, hitombo isa iray. Nefa ve ho taona, ho taona hampiray? Hiravina ny taona, kanefa ny alahelo. dia ho eny foana, ho eny hihelohelo. Ka moa hanova inona, izay fivadi-taona? Azo hinoana ve, tsy hisy fo hisaona? Hiravina ny taona, hiandoha anaty fety. Kanefa eny foana, ilay fahoria-namefy, tanatin’ilay taona, maro efa voadingana. Asa aloha ‘ty taona ity, raha mba hiova dingana. Teny kely monja, teny avy ato am-po. Fa tsy maintsy mbola hanonja, ny fiaina-misy soa. Tsy maintsy hisy haizina, anaty hazavana. Hanjaka koa ny hatsiaka, anaty hafanana. Fa hiravina ny taona, hiravina ny lasa. Saingy hivadibadika eny, manaraka ny kasa, satria toy ny voa, na tsy hafafy aza hitsiry. Mety tsy hamony, tsy hisy voka-piry.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-avy-aminao
RAHA AVY AMINAO…
RRAG
RAHA AVY AMINAO… Raha avy aminao ry vola ny hoe: “Fahafahana hotafiako, dia aleoko aho tsy hitafy”, fa hiboridana eto, hotazanin’ny mpandalo, ny hamafim-pijaliako, satria tsy hanafaka ahy, ny aingam-betsovetso. Ny tarobia mamatotra, tsy miendrika varahina, fa toa vy maranitra, hatsatoka handràtrana, ny hany hasin-danjako, miaro ny atim-poko, raha vola sy harena, toa tsy hotompoiko. Raha avy aminao, ny vesa-pahefako, ny seza fiandrianako, sy ny hafa iantefako, dia hivavaka aho, ny hahamay anao, holatsaham-baratra, izao dieny izao. Fa manempotra ahy, ny etona navoaka, manenda ny fanahy, ny hevitra natsoakan’ ny fofompofonao, ry vola sy harena. Ka tsy ho ela intsony, dia hanimba firenena! Raha avy aminao, ny fanalahidin’ny fatorako, aleoko aho voafonja, toy ny omaly ihany, satria mba miadana aho, tsy misy hatahorako, mihoatra anao, ry vola mpanambany. Raha avy aminao, ny foto-pandrosoana, nenti-nampandroso, ‘ty Gasikara mamiko, dia aleoko izy osa, ka hanana finoana, fa hoavy tsy ho ela, ny soa anjaran-taniko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sambatra-loatra-iny-lalana-iny
SAMBATRA LOATRA INY LALANA INY!
RRAG
SAMBATRA LOATRA INY LALANA INY! Satriko dia satriko, ho toa azy iny, ny holalovanao, na dia mba hivahiny. Handalo hiserana ihany, isaky ny maraina, famonjinao fodiana, raha sendra rera-tsaina. Fa izy fandalovana, hita anao matetika! Izaho tsy hitanao, na dia manova fihetsika, manao izao sy izao, hanodonanao ny jery. Fa iny lalan’iny, toa vitanao tsianjery. Sambatra loatra lahy, raha iny lalana iny! Niova koa ny fony, ka ianao no tena tiany, fa mahatsiditsidika, mahavangivangy azy. Nahazo anao tsy niady, tsy mba nanenjan-tsandry.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozy-iray-toa-anao
RAOZY IRAY TOA ANAO…
RRAG
RAOZY IRAY TOA ANAO… Raozy iray ‘zay toa anao, no tinazako avy ilavitra. Manahaka izato endrikao, mahavariana mahafinaritra. Toa malazolazo felana, tsy takatr’orana angamba. Toy ny raozy amoron-tevana, toy ny raozy iray ‘zay jamba. Jamba resin’ny fitiavana, natositosika fa osa. Irery tsy mba mana-namana, raha misy aza toa hifosa. Raozy iray toa anao, toa anao ‘lay nila tosika. Zana-draozy mbola vao, afovoan’ny tsipolitra. Afovoan-tsedra maro, mila tanana hisintona. Anaty ankaso mifangaro, sendra fo iray nirintona. Tsy nahatsiaro tia intsony, nanadino ny efa vita. Raozy foana iny, na dia hodianao tsy hita. Raozy iray toa anao, mba solafaka famindra. Saingy mafy noho ny anao, ny fery entiny ao anaty. Ny omaliny ihany koa, tsy mbola nisy voarindra. Ny ankamaroan’ny raviny aza, mihintsankintsan-tady ho faty.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tena-tiako-ianao
TENA TIAKO IANAO…
RRAG
TENA TIAKO IANAO… Ahoana no ahafahako, milaza aminao, fa tena tiako ianao? Raha toa ka ny vavako, tsy hilaza izao sy izao, hanababoana anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manofisa
MANOFISA…
RRAG
MANOFISA… Manofisà mamy tsara, dia tsarovy fa ny soa, ireny vita fampizara, sady tena voka-po, no tahiry nentin-tsaina, notinafinao fitiavana, nasianao tokin’aina, matoria am-piadanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sambasamba
SAMBASAMBA…
RRAG
SAMBASAMBA… Nilatsaka nanify, ny oran’ny fahavaratra. Nirintona nidify, ‘lay masoandro mba mpitaratra. Sambasamba anefa, no nahitany anao, nijanon-tsy nilefa, niatrika an’izao. Izay tokoa angaha, ny anilan’olon-tiana. Tsy misy mampanahy, tsy hananam-panahiana. Sambasamba ianao, naharitra ny farany. Sambasamba koa, no nioty ny hatsarany. Ka na ‘lay oram-baratra, nikija aza tsy nahasakana. Tsy nanakana anareo, nanakana anareo hiaraka. Sambasamba koa, ny vavanao no nahateny. Fa tsinontsinona avokoa, ireny rehetra ireny. Raha miohatra ny fitiavana, anatin’ny fonao. Tsy asiana fandàvana, fa tena tia ianao. Sambasamba izany, mahita ranomaso, miendrika tomany, nondesin’ny ankaso. Mirotsaka misafo, ny endri-tavanao, sendra ny hatsatson’ny fitia ianao. Sambasamba ireny, mahita anao ‘lay manjoretra. Mihatakataka eny, miala ny rehetra. Mangina tsy miteny, asa resin’ady angamba! Ka ‘ndraindray ombeny ombeny, mahatsapa f’efa jamba. Sambasamba mihitsy, ny nahitana anao nanoroka. Nankafỳ ny hamamy, sy ny tsiron’izany. Angamba kosa tsy hisy, ilay fitia ankosotra. Toy ny anao fahiny, namela fo hijaly. Fa sambasamba mantsy, ianao no mba tavela. Sambasamba izany hoe: “Naharitra ny ela”.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ravina-nahintsana
RAVINA NAHINTSANA…
RRAG
RAVINA NAHINTSANA… Toy ny fo ‘ray tena tia, dia misy foana sotasota. Misy esoeso lava, handringanana ny osa. Misy latsalatsa teny, handotoana ny madinika. Misy miezaka mangina, misy minia mikitikitika. Manararaotra fahefana, mireha hery tsy mitovy. Manararaotra fahajambana, tsy mba misy taho-tody. Mieboebo toa andrina, tompom-pahefam-bahoaka. Ny marina anefa, tsy ho ela dia hivoaka. Saingy ny ravina nahintsana, tsy haka ny toerany intsony. Zary zezika ireny, zezik’enti-mampitony. Fo mamery feno ràtra, rakotra dian-kapo-by. Zezika entina mamboly, ravim-baon’ilay fitia.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tanivom-pahasahiana
TANIVOM-PAHASAHIANA!
RRAG
TANIVOM-PAHASAHIANA! Tanivom-pahasahiana aho, no nihemotra niahotra. Takaikin’olon-tiana, no nihovitra natahotra. Nivarahontsana avokoa, ny tena manontoloko. Nirintona ny fo, toa tsy mba voaonoko. Tanivom-pahasahiana aho, no nihataka niala. Tsy te hiantso anao intsony, hiantso anao malala, fa satriko voakosoka, voafafa moramora, ny ferin’ny anaranao, nentin’ilay ora, nandàvanao ny foko, ‘lay nitia anao mangina. Aleoko izaho ho faty, raha mbola ho fijaliana. Tanivom-pahasahiana aho, no nisy ilay fandàvana. Tanivom-paniriana, no tapaka ny lalana, nita teny ho eny, ho eny aminao. Ianao ‘lay tsy nijery, no nahatonga ‘ty foko ho lao. Tanivon’ady maro, no tonga fahasahiako, fitiavako hifangaro, amin’ilay tiako. Saingy mitovy ihany, ny faka sy ny fototra! Satria ny tany, no mbola injay hanototra, ‘lay vatana hody vovoka, tia fa toa tsy tiana. Toa efa tsy maharototra, ‘ty ozom-pahoriana. Tanivom-panenenana aho, no nieza-nitamberina. Toa ny lasa anefa, no reko injay niverina, nialoha ny hafaliako, namatotra ahy tan-dalako. Tanivom-pahasahiana vao, vao mainka indray tsy lalako, ny tena atim-poko, fa mainka, feno fanahiana. Tanterako ny vina vao, injay aho variana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/1e-page
“1e PAGE”….
RRAG
“1e PAGE”…. Sorito eo anoloan’ny fiandohan’ny nofy, ny anarako ry tiana! Dia ho hitanao, ny foko te hitosy, anaty faniriana. ‘Zay miezaka mangina, mibanjina anao, mijery olon-tiana, ka hanofinofy anao. Sorito am-piandohan’ny ali-nofinao, ny endriko mitsiky! Dia ho voaloham-pejy, ilavitra fandao, ‘lay tena hakanton-tsiky! ‘Zay miezaka mampita, fitiavana amin’ny nofy, mba tsy hanapitrisa, ny fo ‘zay te hitosy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fatorana-ho-ahy
FATORANA HO AHY!
RRAG
FATORANA HO AHY! Anio aho handray ‘ty peratra, hanolotra izany anoloan’ny alitara! Hanofoka azy avy eo, amin’ny tananao. Mpivady isika, isika ilay mpivady vao. Hanaiky aho, tsy handà izay ambara. Hianiana aho, porofoiko fa ianao no ilay anjara. Dia hovoadiako, hovoadiako mandramaty. F’izaho sy ianao, iray fo anaty! Eto anatrehan’Andriamanitra, ilay mpiahy sy mpitarika. No hanolorako ‘ty voady, ho vadinao mandrakizay! Ka eo koa ny lanitra, sy ‘reo fanahy izay manatrika. Vavolombelon’ny fitiavako, fatorana ho ahy rahatrizay.