url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lovia-bakoly | LOVIA BAKOLY… | RRAG | LOVIA BAKOLY…
Rakala a! Ianao aloha tsy ratsy!
Ny endrikao koa, tena tsy misy tasy!
Sady kanto ery, no mamiratra jerena,
na izany aza a! Tsy aleo manaja-tena.
Ianao hoy aho tsy ratsy, ny bikanao tsy handositra!
Kanefa anie ry kala, ny tondrotondro molotra,
dia mety hiantefa koa, amin’ny tenanao,
k’izay ve anefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foko-efa-tia | NY FOKO EFA TIA | RRAG | NY FOKO EFA TIA
Ny foko efa tia, tia hatramin’ny ela, saingy re niahotra.
Tena tia anao, ny aty manontolo, fa izy no natahotra.
Tsy misy satria, raha ny fitia anatiko, fa toy ny afo iray mirehitra.
Tena tiako ianao, ka mety tsy ho tantiko, ny hanohitra azy hitselatra.
Ny foko efa tia, raha vao nahita anao, saingy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-marina-ao-am-po | NY MARINA AO AM-PO | RRAG | NY MARINA AO AM-PO
Nisoritra efa ela, tanaty ny foko,
ny anaran'ialahy, ‘lay tokana tsy foiko,
voafaritra am-bala, ny marin'ny aty fo,
tsy hisy salasala, ny hiarahantsika roa,
satria tiako ialahy, ‘lay tokan'ny fanahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fo-adaladala | FO ADALADALA…! | RRAG | FO ADALADALA…!
Fatorana fitia,
mihazona ny fo,
no mitoetra ao anaty.
Tsy misy sanatria,
ny fitiavam-po,
ka sahiko no hiantsampy.
Fo adalaladala,
ity miantso anao malala,
ka aza atositosika.
Tsy te hankahala,
anaty salasala,
noho ny tondro molotra.
Fo adaladala,
mitia anao mangina.
Maro mpankahala,
‘lay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-lavitra | RAHA LAVITRA | RRAG | RAHA LAVITRA
Raha lavitra ahy ianao dia,
asio sioka tokana ho hafatra entim-borona.
Raha manina ahy ianao dia,
mivetsoa mangina, kalo tsy hain'ny olona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-azonao-sakanana | RAHA AZONAO SAKANANA… | RRAG | RAHA AZONAO SAKANANA…
Raha azonao sakanana, ny lahatra sy tendry, dia eo re mba ataovy.
Raha azonao baikoina, ny soritry ny kinendry, dia eo koa asaivo,
asaivo hanatanteraka, ny sitrapon’ny foko, izao dien’izao.
Iangavian’ny fanahiko, izany rehetra izany, raha toa ka sitrakao.
Raha azonao atao, ny manakana ny vint... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/safoiko | SAFOIKO | RRAG | SAFOIKO
Anaty nofinao, dia hosafoiko ianao,
fihiniko eto an-tratrako, dia raisinao ny tanako.
Ny molotrao orohako, ny tenanao safoiko,
ianao ‘lay tsy foiko, tohizo ‘ndray ny nofinao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-no-tiako | IANAO NO TIAKO | RRAG | IANAO NO TIAKO
Ninoninona ho sedra, ka hanova ny tantara?
Dia ny hany tena ‘ngeza, dia ny anaranao malala.
Tena ianao no tiako indrindra, tokana finidim-poko,
‘lay fitia tsy azo afindra, fa ho anao nosafidiako!
Ninoninona hidona, hisetrasetra indray ny foko?
Dia aleoko izaho no moana, raha ianao tsy ho ampofoiko.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/love-be-ny-fo | “LOVE”-BE NY FO… | RRAG | “LOVE”-BE NY FO…
Lavitra ny dingana, fa maro no efa vita,
tsy vitsy koa ny fingana, fa modiana tsy hita.
Tsy maty kosa anefa, ireo raozy ‘zay nitondra soa,
tsapa niantefa, satria, “love”-be ny fo!
Maro ny honahona, tsy vitsy ny handringana,
ny fo efa misaona aza, toa mbola hisy hamingana.
Tsy mitanondrika eny an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-ato-anatiko | NY ATO ANATIKO! | RRAG | NY ATO ANATIKO!
Tsy haiko hoe: “Fo akory”,
no mitoetra ato anatiko?
Toa tsy mihazon-donilony,
amin-javatra tsy tantiko,
Fo tia ka sendra tiana,
sa fo iray, mbola manam-paniriana,
ny tsy hitia mangina,
ny olon-tena tiana?
Tsy fantatro hoe: “Fo manao ahoana”,
no mihiboka ato anatiko?
Mangina toy ny moana,
ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/boky-diary | BOKY DIARY… | RRAG | BOKY DIARY…
Rangotry ny peniko, no nandrafetana,
‘lay boky diary, tahirin’ny fo.
Tsiaron’ny tenako, no nandevenana,
ireo lasan’ny omaly, nentin’ny fo.
Boky diary, tahirin’ny lasa, ilay nosoratako,
anatin’ireny, no misy ny kasa, nirina hotratrariko.
Saingy tsy nisy, na iray akory, vitako anio,
toa ny lasa indray... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eo-anilanao-eo-anilana | EO ANILANAO… | RRAG | EO ANILANAO…
Eo anilanao no tiako iainana eto,
eo aho no hany afaka mivetso,
ny tena alalin-tsento,
k’izay no tiako eto!
Eo anilanao no tiako hisy ahy,
na velona aho na maty dia eo ny fanahy,
mitoetra anilanao,
manala ireo talaho.
Eo anilanao no tiako indrindra ry aiko,
eo no mba mitony ny tebitebin-tsaiko,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-foko-ve | NY FOKO VE? | RRAG | NY FOKO VE?
Toy ny an’ialahy, ny foko koa midobodoboka,
ny foko sy ny ao anatiny, toa reko mihovitrovitra,
satria koa dia tia, tena resin’ny fitiavana,
ny fitiavan’ialahy, no akanim-pahasambarana.
Ny fitiavan’ialahy, no hany tena maminy,
telin’ity foko, toy ny “daliah”, fa hitany ny hatsarany.
Ka mila ny fitia, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toko | TOKO! | RRAG | TOKO!
Narindranao ny feo,
nasianao ‘reo tonony.
Ny fitia no indray naseho,
ho toko tsisy solony.
Ho andininy voatokana,
hampitoniana fo.
Ho amboaranao manokana,
ho fiotazantsoa.
Ny tononkiranao,
fampiraisan-toko.
Ny feon-kiranao,
dia fandrava ny toloko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lisy | LISY… | RRAG | LISY…
Voninkazoko hono ianao,
voninkazon-jaridaiko!
Vony iray am-poko ao,
felam-bony nolalaiko.
Ianao no lisin’ny foko,
tokan'ny fitiavako.
Ianao tsy hosoloiko,
f’efa fatoran'ny fitiavako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-ho-faty-ihany | RAHA HO FATY IHANY… | RRAG | RAHA HO FATY IHANY…
Hoy ilay zaza:
Raha ho faty ihany, dia aleoko mba rahampitso, fa tsy izao dieny ‘zao.
Fa ny laoka ao hena, i Dada ihany koa, vao nividy kilalao.
Ka raha ho faty ihany, aleo mihinam-parany, mialavoly kely.
Midongidongy kely, mihanta amin’i Neny.
Hoy ilay resim-pitiavana:
Raha ho faty ihany, al... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anjelinny-foko | ANJELIN'NY FOKO | RRAG | ANJELIN'NY FOKO
Tokana ianao,
tsy manam-paharoa,
raha amin'ity foko.
Anjeliko ianao,
‘lay safidim-po,
anjelin'ny foko,
tena tia tokoa.
Ka hotanako ho ahy,
tsy mba hosoloiko,
satria famatotry ny fanahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-masonao-mijery-ahy | NY MASONAO MIJERY AHY! | RRAG | NY MASONAO MIJERY AHY!
Ny masonao mijery ahy, dia porofo iray tsy hadinoko.
Ny hakantonao ao am-panahy, no mampiaina koa ‘ty foko.
Ianao izao no fitiavana, ianao ‘lay hoe tia ahy,
ianao no tena namana, famatotry ny fanahy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-alina-iny | INY ALINA INY… | RRAG | INY ALINA INY…
Ny masoko rendremana, saingy tsy te hatory, maniry hahita anao.
Ny lohako nolemana, hanala sorisory, ilavitra anao.
Fa iny alina iny, no mbola nahatsapako, fa tena tiako ianao.
Iny alina iny, no nanamafy ny faniriako, hamihina anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izaho-ianao | IZAHO & IANAO! | RRAG | IZAHO & IANAO!
Mifamatotra ao am-po, izaho sy ianao,
mpifankatia miara-droa, maniry ny tsy hifandao,
tiako ianao, tononkira, tsy mankalao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-alintsikaroa | NY ALINTSIKAROA…! | RRAG | NY ALINTSIKAROA…!
Ny alintsikaroa,
na dia tanaty nofy aza,
dia alin'ny fo,
‘lay mitia mazava.
Ny alintsikaroa,
dia alin'ny fitiavana.
Ny alintsikaroa,
no alim-pahasambarana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/safidy-niantefa | SAFIDY NIANTEFA | JJF (Jean.Jacques.Fredi) | SAFIDY NIANTEFA
Fotoana kely monja
No nahalalako anao,
Kanefa dia nanonja
Tanaty foko tao.
Tsy hitako lazaina
Izay mahatonga izany,
Fa mby mameno saina
Ny hitia anao hatrany.
Tojo anao ny foko
‘Ry ilay olona iny,
Fitia mba mitoloko
Ka aza omenao tsiny.
Safidy niantefa
Ka tojo anao mangina,
Nilefa ka nile... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/zanaky-ny-alina | ZANAKY NY ALINA | Zoky Eric | Toky maro no efa napetrany
Ny voady hoe ho mandrakizay
Indrisy anefa fa nisy fetrany
Tafasaraka ilay fo niray
Fo niray ka nefa nisaraka
Satria lefy izato fitiavany
Diso matoy ka niraraka
Olon-kafa indray no malalany
Dia rava ilay fanam-badiana
Ity zanany tsy no jereny
Mafy ireo teny nifamaliana
Sy ireo ratra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny-aho-zaza | IRENY AHO ZAZA! | RRAG | IRENY AHO ZAZA!
Ireny aho zaza, tsy nisy zava-pantatro, mombanao ry Dada.
Tsy nisy fahatsiarovana, tahirim-pahazazana, fa ranomaso lava.
Kanefa aho mba velona, velon’ilay Reny, izay niteraka ahy.
Tafitany ihany aho, voarony ihany koa, tanaty ny ahiahy.
Na dia ny anaranao, tsy nisy mba niteny, toa tsy tiako ho re.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aro-zo/diso-fitia | DISO FITIA | Aro-Zo | Raha hanaiky azy ianao
Miangavy an-tanan-droa aho:
idifio ny lalako
Manahy aho mantsy sao
Tsy ho haiko ny hamefy
ny hambom-po adalako
Raha izy no tinendry
Hiombonanao fo,
saina sy fanahy
Hangina aho f'olon-kendry
Ka tsy haniry foana
ny tsy natao ho ahy
Samy tia 'nareo
Fa isika kosa:
mpanonofy sy nofisina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/gasikarako | GASIKARAKO. | RRAG | GASIKARAKO.
Kay! Marary loatra ny aiko, toa tsy mety tony,
ay! Ny atin’ity saiko, voafato-donilony.
Mitaky valifaty, ho an’ny fireneko,
saingy manindron’aty, ka hosakanako tsy ekeko.
Ka raha hipoaka ny ady, dia aleo koa ny tenako,
sy ny fanahiko hiady, ho an’ny fanarenako.
Hitaky fanafahana, ho an’i Madagasikara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fetinny-mpifankatia | FETIN’NY MPIFANKATIA… | RRAG | FETIN’NY MPIFANKATIA…
Fetin’ny mpifankatia anio, fety tokana isan-taona,
fety iray manan-danja, hanokanana fotoana.
Hiarahana maharitra, hizaràna ny tsy zaka,
hifanomezana hafaliana, hamaritana ny tsy aritra.
Fetin’ny mpifankatia anio, fety iray manan-kaja,
hifanoloram-boninkazo, hifanomezana arahaba,
amin’ny or... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aro-zo/valiha-may | VALIHA MAY | Aro-Zo | Tinendrin'adala ilay valiha may;
k'indro tapa-jihy
Ireo mpitsiriritra mpaniry hatrizay
indreo rebi-dihy
Ny kalo mivalany sy hira mivaona
midi-mivoaka
injao manako sy miraondraona
imasom-bahoaka
Teo avara-patana izy hatrizay
raha toa tsy tinendry
Ankehitriny efa kila sy may
fa nilaozan'ny hendry
Zavona ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitia-kilalao | FITIA KILALAO… | RRAG | FITIA KILALAO…
Fonja iray voafefin’ny rindrin’efa-po, ny fitia mitsiry anaty.
Tady, famatotry ny ratsy sy ny soa, ny fo ‘ray miantsampy.
Irika fanala, henatry ny tena, ny mandà fitia.
Any ka izay rehetra rehetra omena, dia asiana sanatria.
Kapoka mianjera, amin’ny sombin’ny aina, ny kilalao fitia.
Ivom-paharendre... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/foiny-aho | FONY AHO… | RRAG | FOINY AHO…
Fony aho taona fahavalo, dia nisy raozy iray naniry,
hafahafa fomba fiaina, hafahafa koa fitsiry,
teny an-jaridaina hafa, tsy mety lo fa voatahiry.
Mena felana, maitso ravina, tsy mba nisy tsilon-draozy,
voninkazo tsy mba niavona, sady hafahafa paozy,
nitsiry tao anaty fo, namelam-bony ohatr’izany,
io... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/malagasikara | MALAGASIKARA…. | RRAG | MALAGASIKARA….
Fa nahoana no novaina, ny anaranao ry Nosy?
Teny hafa toa tsy hilaina, no indray natositosy,
nandrafetana litera, nanoritany anao,
aiza moa no tsy hianjera, tsy ho tafita izato ianao?
Madagasikara, toa anarana hafahafa, tsy nipoiran-drazanao,
Madagasikara, ilay anarana nahazatra, niantsoinay anao,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy-maminy | REHEFA TSY MAMINY | Fredy Jaofera | REHEFA TSY MAMINY
Rehefa tsy maminy
'zay zavatra nilaiko
dia tsy hita taminy
ny toky nantenaiko.
Rehefa tsy tohany
ny tiako lalandava
dia nanao ny lohany
izy iny no nandrava.
Rehefa tsy lefiny
ny vinavina rehetra,
io fa tsy voarefiny
ny vava be voretra.
Rehefa tsy ariny
'zay efa nifotorana
dia io fa ny m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-lala-nolalovako | NY LALA-NOLALOVAKO… | RRAG | NY LALA-NOLALOVAKO…
Ilavitra tsy efa, ny hiverina hiampita, amin’iny lalana iny.
Toa feno sedra loatra, na dia taratra hazavana, sy volamena soa.
Mety ho akanim-pahasambarana, satry hitoerana, ihany ny fahiny.
Saingy ao no tena onja, vesatra tsy zaka, mety handràtra fo.
Tsy vita taratara iny lalana iny, fa lalan-t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fandrosoana | NY FANDROSOANA… | RRAG | NY FANDROSOANA…
Ny zava-nentinao, no lefona natsatoka, handràtrana ny hafa.
Ny rafi-tananao, no fery iray hitarika, hampihombo ny efa maràtra.
Moa ‘zao mifankaiza, tsy samy tsy mitafy i? Ny misalaka sy mizipo!
Samihafa fitaizana, saingy mitovy fihaingo, asa koa ny ampitso.
Fa ny omaly, nitafy fa tsy feno, nianjaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-volonakohoko | NY VOLON’AKOHOKO… | RRAG | NY VOLON’AKOHOKO…
Indray nisafo ny ivom-pejy, tao anaty aingam-po,
toa fitaovam-boatendry, hamakiana ny atim-po,
handraketana ho amboara, ho tahirin-dasa,
handrafetana ho tantara, hitsarovana ny kasa.
Naman-tsy mahafoy, mifamatotra amin-tena,
mifaningoningotr’aina, mifampizara alahelo,
tsarovy, fa izy koa no fan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/raha-tsy-ianao | RAHA TSY IANAO… | JJF (Jean.Jacques.Fredi) | RAHA TSY IANAO…
Eny aky raha ny amintsika efa vitako tsianjery
Izaho irery
Tsisy an-tery
Na ny hambom-poko aza d’efa lasana irery
Ka matokia
Fa ny sisa teny omeko hanambara ny fitia
Doria “Amena”!
Sanatria raha vanivany iny toky omeko anao
Fa kosa hoy aho
Ny anatiko ao
Sy izao tontolo izao raha haiko atao
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/matokia | MATOKIA! | JJF (Jean.Jacques.Fredi) | MATOKIA!
Fa sitrako, tsy foiko,
Mamy tsy zaraiko,
‘Lay silaky ny foko
Mpisasaka amin’ny aiko.
Mangina, mitonia!
Tsy very izay natao.
Ny valin’ny fitia?
Atolotro ho anao…
Mba satrinao ihino:
Ny foko koa mba babo.
Izaho no hanadino?
“ambadiky ny adabo…”
Malalako, lalaiko,
Velona ato anatiko.
Mpisasaka amin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izahay-roa-lahy | IZAHAY ROA LAHY… | RRAG | IZAHAY ROA LAHY…
Hoy ny vatana:
Mifamaly foana, izahay roa lahy,
miziriziry izy, hoe manana ny marina,
nefa izaho vatana, mahery noho ny fanahy,
satria raha tsy eo aho, izy tsy misy hohanina.
Hoy ny fanahy:
Mieboebo izy, fa matanjaka no izaho,
tsy fantany anefa, f’izaho no mitondra azy,
izaho fanahy, no mampis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kely-vao-lehibe | KELY VAO LEHIBE | Fredy Jaofera | KELY VAO LEHIBE
Kely vao lehibe
ny baobaba iray,
didy izany ange
raha toa tsy hay.
Kely vao lehibe
'rony ombalahy
ka mahereza re,
asehoy fa sahy.
Kely vao lehibe
iny voay misosa,
jereo ny foto-pe
fa aza dia kanosa.
Kely vao lehibe
ny olona rehetra :
zaza no nandeha,
antitra no fetra ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-soratra | NY SORATRA | Fredy Jaofera | NY SORATRA
Ny soratra
no fomba itenenana
rehefa tsy henoina,
mamokatra,
na dia nanafenana
ny saro-bonoina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-voasoratra | IZAY VOASORATRA | Fredy Jaofera | IZAY VOASORATRA
Izay voasoratra
dia hitohy
fa izay voateny
dia ho faty ;
hivadika ohatra
tsy hamoy,
mitory ombieny
ny ao anaty. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/sary | SARY... | JJF (Jean.Jacques.Fredi) | Rehefa vitako tan-tratrako
Dia niondanako ny alina
Isan' andro zary vatrako
Ny misaina anao ... ka lalina !
Mafy loatra angaha?...Tsy haiko !
... Ny figodon' ny fitiavako ?
Fa tsy mitony izany saiko
Raha tsy voatohoky ny vavako
' Zato sarinao mianjaika
Tony sy malemy paika.
'Nefa ianao fa mbola an-tsary
Iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/fy-mihar-itra-kiady-fy | FY MIHAR
ITRA KIADY
Fy | al'fy | FY MIHAR
ITRA KIADY
Fy miharitra kiady
Io no anarana ao an-tsaiko
na tsy fantatro sokajy
Ianao ry sombin'aiko
Mbola tsy nahita tany
mbola tsy nahita ady
Mbola tsy nahita mamy
Fy miharitra kiady
Anarana ho saloranao...
Sahady ambarako eto
Na tsy azonao vinany
Izay antony hanekeko
hoe anaranao izany!
Fy mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/poeta-sy-poeta | POETA SY POETA | JJF (Jean.Jacques.Fredi) | Mba sambatra ny fo sy finaritra ny saina
Mahita vodilanitra tomaratra maraina
Mahita voninkazo sariaka an-jaridaina
Mahita voromanga mamelombelon' aina
Rehefa ny Poeta no tojo izay niriany...
Rehefa ny Poeta no sendra izay mba tiany !
Rehefa ny Poeta no tojo izay tadiaviny
Rehefa ny Poeta no sendra izay ho tiavi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felan-angoty/ahy-ianao | AHY IANAO | Felan' Angoty | Ahy ianao fa haiko
Eo anilanao, no hanaporofoiko sy afaka hamantarana
Eny ry lalaiko
Fa eo anilanao no tena nahatsapako ny tena fahasambarana
Eny hoy ny saiko
Teo anilanao no afaka fintinina ny lasan'ny farofy
Indro tanisaiko
Fa teo anilanao aho, ka tonga fanaperana ny "Vohitry ny Nofy"
Ahy ianao Malala
Ahy ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/ianao-no-tiako | IANAO NO TIAKO | ILIMIM JIVISDI | Na ino-kidona, na ino-kiatra
Tsy hataoko hahakivy tsy hataoko handratra
Ny ato am-poko malalaka, afaka hitia
Saingy efa ianao no ekeko ho doria
Vonona aho handresy ny fakam-panahy
Arahiko toky tsy misy ahiahy
Ianao no efa tiako, safidin’ny foko
Ka tsy ariako fa ho kolokoloiko
Izaho bandy kely fa mahavita azy
V... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felan-angoty/fanafodim-pitia | FANAFODIM-PITIA | Felan' Angoty | FANAFODIM-PITIA
Tonga daholo daholo Malala
'Lay tsy fahampiana ao anatiko ao
Tonga daholo ka dia mamanala
Rehefa indray aho ka tsy anilanao
Tonga daholo ka tsy afa-miala
'Reo somembisemby amanalin-ky isa
Tonga daholo ao an-tsaiko tsy miala
'Reo endrikao kanto ka voavisavisa
Tonga daholo daholo Malala
'Lay han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/vavaka | VAVAKA! | ILIMIM JIVISDI | Tompo ô!
Aoka re raha azo atao
Aza Ariana fa hiantrao
Ity mpanota mitalaho
Mitady fiainam-baovao
Efa maro ny adalako
Sy ireo vokam-pahotako
Aoka re ny fahazazako
Ho mendrika mba andovako
Eo an-tratranao irery
Arovy re mba tsy ho very
Tompo ô! Ao am-poko re mba misy
Hazavana ho dradraina
Saingy indro fa ind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/tsy-mety-fantany-tsy-m | Tsy mety fantany ilay van | al'fy | Tsy mety fantany ilay vanim-potoana,
Ny ora sy andro, ny volana koa,
Raha tsiarony mantsy dia tsiky foana,
Raha vinany mantsy dia tony ny fo.
Tsy mety fantany ilay zavatra vita,
Tanaty alin-kitroka tsisy hazavana,
Raha tadidiny mantsy fa toa paradisa...
Ilay rojon-kalo voahary hafanana
Tsy mety fantany anie fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/indray-fahavaratra | "Indray fahavaratra..." | al'fy | "Indray fahavaratra..."
Iny lalana iny sy izay teny imorony;
No vavolombelon'ny fitia izay natolony,
Ny tanako efa mando nandrazona ny sorony,
Ny molotro naniry ny hitohaka ny molony...
Izy 'lay nangina, izaho 'lay tsy niteny,
Ireo fanahinay no niainga teny ho eny,
Ny doboky ny foko, angamba efa reny,
Ny tavany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/miharitra | MIHARITRA | ILIMIM JIVISDI | Raha vitan’ny hoe tsy hiteny intsony aho
Dia efa ela no nanadino anao
Raha vitan’ny hoe samy efa leo
Dia efa tena ela no efa vita hatreo
N’efa ilay toky nifanaovana fahiny
Dia samy mba miharitra tsy misy omena tsiny
Na ahy ny fahotana, eny na anao
Dia hiaretana daholo, zakaina tsotr’izao
Ka aoka re ianao, amaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/tarainanny-bandy | TARAINAN’NY BANDY | ILIMIM JIVISDI | Be ny sipa mikafara
Manambany fa hoe tsara
Ka ny bandy mitomany
Atao fitaovana hiasany
Nareo vehivavy mati-kambo
Ka manao fihaza lambo
Isan’andro dia mandripaka
Ka ny toky lasa fitaka
Dia taraina no mivoaka
Ho an’ny bandy tsisy apoaka
Tsisy toerana satria
Tsy mba afaka mitia
Antso avo ho anareo
Sipa mbola ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/voady-mandra-maty | VOADY MANDRA-MATY | ILIMIM JIVISDI | Masina ny toky izay omeko
Teny kely iray ho dradraiko
Ianao irery ihany no ekeko
Ho paradisan-tany sombiniaiko
Ny molotro hanoroka anao
Ny masoko handà ny valifaty
Ny peratra raha toa ka sitrakao
Ho taratry ny voady mandra-maty
Voady izay tsy hanam-pahataperana
Ho toky eny ambony alitara
Fitiavana efa tsara t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi/ny-foko-voagafy | NY FOKO VOAGAFY | JJF (Jean.Jacques.Fredi) | Fa betsaka ny soa, hanananao ny tafy,
Ny foko ihany koa, mba afaka mihafy,
Misedra ny toloko izay nafafinao…
Ny onjan’ity foko, nataonao kilalao.
Fa lavitra ny dia, takatrao ny tsara,
Ny foko mbola tia, kanefa voarara;
Naleonao ho rotika, niniana ho simbaina,
Ny foko efa potika, nizaka ferinaina…!
Fa maro koa n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/fitia | FITIA | ILIMIM JIVISDI | Toa tsotra ny fambabo
Ny resaka fitia
Fa fandrika mandavo
Raha sendran’ny tsy tia
Ka afo mitsolopy
No kiry mba ho hery
Fitia no feno toky
Saingy mora very
Kanefa tsy adalàna
Fa tonga hoazy tao am-po
Toa afo tsy voatàna
K’atao ahoana moa!?
Fa tsotra ny fambabo
Ny resaka fitia,
Fa fandrika mandavo
Raha sen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/tadidiny-ihany...-nata | "Tadidiny ihany..."
Nata | al'fy | "Tadidiny ihany..."
Nataoko ho sangy ny fihaonana taminy,
Modiko nafenina ny areti-poko...
Tsy hanaitra ahy 'zay fitomaniny
Na efa migadona ampara-toloko...
Modiko tsy ho tsapa....
Niezahany hondanana ny vata-tratrako,
Kanjo reny tao ny doboky ny foko,
Nitsiky kely kala, nitsapa ny ratrako
Toa sendra vato, fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/fermer-hasinavalona-ftsn | Fermer
Hasinavalona Ftsn | al'fy | Fermer
Hasinavalona Ftsn
"HATAKA"
Ireo fiforetan'aina
Am-po tsi-miloaka
Mahazo anay vahoaka
Hilaozan'ny maraina
Difin'ny vola-tsinana!
He! ny vavanay tsy mihinana
Raha tsy risoriso.
Na efaina rahampitso
Ny saram-panolorana!
Ry fanasina ô! avia!
Hamasino re ny fo
Mba hino sy hanka-to
'Lay Ray be fitia
Na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felan-angoty/diso-tia-anao | DISO TIA ANAO | Felan' Angoty | F'izao,...Rehefa any ianao
Izy tsy hikasika ny vata-tenanao
Tsy hikitikitika na singam-bolo iray
Maika aza izy faly fa hahita anao indray
Hijoro eo anoloany
Dia ny zavatra hataony
Mino aho f'holazainy anao 'zay hetaheta
Mikoriana anaty fony
Ho lazainy anao fa ny fiainany rehetra
Sy ny sombiny fitiavany renoka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/hetraketraky-ny-tany | HETRAKETRAKY NY TANY | ILIMIM JIVISDI | Ny hetraketrakao ry tany mafy loatra ka tsy zakako
Fa mampiferinaina hatrany , mampody indray izato lasako
Ny lasako izay feno kiry, alahelo anolon-tiana
Tantara ratsy voatahiry ka nokoboniko mangiana
Dia noho ianao ianao ry tany, miangatra anjara vilana
Ka ny foko mitomany sendra anjara mitongilana
Vao nitia aho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/ianao | Ianao… | ILIMIM JIVISDI | Ianao ilay fanafody manafaka ny fery
Ianao ilay hafaliako, ianao samirery
Ianao ilay dalià mibaliaka vao maraina
Ianao ilay raozy fotsy mampierika ny saina
Ianao ilay hirahira ventesiko mazàna
Ianao ilay tositosy mitondra hafanàna
Ianao ilay kolokolo fangadiko mangiana
Mikalo diavolana halohan’ny hatoriana
Iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/rano-nampivaralila | RANO NAMPIVARALILA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | RANO NAMPIVARALILA
indrisy...!
ny saiko ity sondriana,
mihanoka hadalàna
toa variana dia variana
tetsy am-patsakàna
hadala va ny saina
sa minia tsy mahalala?
fa ny rano natsakaina
no toa nahalasa adala
ny rano nosotroina,
no indro nampidola
ny tena tsy tsaroana
hay lany koa ny vola
angamba!
fantatrao ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/taratasy-ho-anizay-hosafidinny-foko | TARATASY HO AN’IZAY HO SAFIDIN’NY FOKO! | RRAG | TARATASY HO AN’IZAY HO SAFIDIN’NY FOKO!
Eto am-panoratana aho, tsy mbola mahalala,
na mahafantatra akory, anao ilay ho anjarako.
Fa ny penina no hasosako, tsy hasiako salasala,
fa ho tiako ianao, ilay voasoritry ny tantarako.
Tsy ny endri-tavanao, tsy ny bikan’endrikao,
tsy izao tontolo izao, no mety hitiavako an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fakam-panahy | FAKAM-PANAHY… | RRAG | FAKAM-PANAHY…
Raha toa ny fonao, ka tsy ho atolotrao ahy,
dia ajanony dien’izao, ity fakam-panahy!
Raha toa ny fitiavako, tsy mba horaisinao,
aleo aho rahavako, hangina tsy hitalaho. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/andriamanitra- | ANDRIAMANITRA Ô! | RRAG | ANDRIAMANITRA Ô!
Tsy te hibaiko aho, saingy toa voatery,
voaterin’ny vintako, hitroatra noho ‘ty ràtra.
Tsy misy haiko aho, f’indrisy mba mijery,
mijery ny tsy hitako, lazaina hoe voakasa.
Voalahatrao nialoha, ry Raiko ao ambony,
ny taintainako eto, toa tsy mampitony.
Fa satriko izao, dia ho fantatro ny hoavy,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozy-mainty-an-jaridainako | RAOZY MAINTY AN-JARIDAIKO… | RRAG | RAOZY MAINTY AN-JARIDAIKO…
Raha nandinika aho nijery, nitinazana ny hitako,
dia ‘reo miendrika anjely, ny volon-draozy naparitako,
nanoloana ‘lay saha, saha fivoliko ‘reo lisy,
taitra tampoka aho anefa, nanahy ‘ty raozy iray indrisy,
hafa loko, hafa fiaina, hafa toetra, hafa fomba,
tamin’ny raozy novoleko, izy ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-lalam-piainako | NY LALAM-PIAINAKO… | RRAG | NY LALAM-PIAINAKO…
Mbola teny an-kibonao ry Neny, tsy nahalala sedran-tany,
dia efa vesatrao irery, eny ho hatreny ambany tany.
Sivy volana aho tan-kibo, tsy navelanao ho noana,
andrinao ry Neny tiako, na dia lava ity fotoana.
Menavava aho vao teny, teny an-tananao ry Dada,
notrotroinao ‘ty zazakely, tsy mba naha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandresy-fahantrana | MANDRESY FAHANTRANA | Fredy Jaofera | MANDRESY FAHANTRANA
Mandresy fahantrana
dia tsy resa-pitiavana
fa asam-pahamarinana
tsy azontsika ialana
misy fahasoavana,
feno fanambinana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-soratrao | NISY SORATRAO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | NISY SORATRAO!
nisy soratsoratrao
tavela tato am-poko
tsy haiko nohadinoina
tsy haiko nofafàna
f'efa solona fitomboka
mamaritra ny foko
nisy soratsoratrao
tavela tato an-tsaiko
nohezahiko hadinoina
modiko tsy tsaroana
saingy efa toy haniko
ny soratsoratrao
nisy soratsoratrao
tavela tan-diariko
ireo sora-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/eny | eny | al'fy | "ENY..."
Eny, nanafina aho satria...
Tiako ho voasedra, dia ny ety am-piandohana;
Ny izin'ny fitia...
Sao ho fitia tsy mahazaka fankalana:
Na taitram-pilana...
No voatolotro ho andry...
Eny, eny tena eny
Fa tsy sarin'eny miangoty fotsiny ihany
No anton'ity teny,
Fitorim-pitiavana, tsy misy tomany,
Nambarako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manimanina-ny-fahazazako-aho-izany | MANIMANINA NY FAHAZAZAKO AHO IZANY… | RRAG | MANIMANINA NY FAHAZAZAKO AHO IZANY…
Toa satriko ry lahatra, ny hitoby toa anao,
an’efi-trano tokana, tsy misy fiovana,
satriko ny hitsahatra, izao dieny izao,
ny taom-pisondrotana, nitondra fanovana.
Tiako loatra izany, miaina fahazazana,
‘lay akany volamena, tsy mbola lefy laza.
Mba tiako koa ny hoe, akaiky tam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fara-veloma | FARA VELOMA… | RRAG | FARA VELOMA…
Eto amoron-tevan’aina, famatotr’ain’ny tany, aho no miandry ora.
Tsy afaka mitafa intsony, tsy mahateny firy, fa misento moramora.
Manao veloma farany, anaty fijery manganohano, tsy mahalatsa-dranomaso.
Veloma ianareo fa, izao no tiany, izao no tian’ny ankaso.
Fara veloma ny ahy, fara kopakopa-tanana,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-asa-soratro | NY ASA-SORATRO… | RRAG | NY ASA-SORATRO…
Ny aiko mora lo, mora levona sy ringana,
miovaova lasy, miovaova dingana.
Fa ny saiko kosa, sy ny soratry ny tanako,
dia hiahy hiavosa, hanoritra ny lalako.
Hamarana ny fetra, voasoritry ny lahatra,
iny asako iny anefa, tsy hangina tsy hitsahatra.
Ny asa-soratro, tahiry sy tsiahy,
iny asako iny,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-fianarana | NY FIANARANA… | RRAG | NY FIANARANA…
Mety handroso ny tontolo, mety hiroso i Gasikara,
Mety ho rava izay natsangana, azo harenina ny simba,
fa manan-danja ny fianarana, ‘lay zary toa voazimbazimba.
Ny fianarana no lova, itovizana amin’ny hafa,
ny fahalalana no hany rova, hahatanteraka ny kasa.
Satria izao tontolo izao, mety hivadika ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/anio | ANIO… | RRAG | ANIO…
Anio dia migadona indray ny ora iray,
ora mpandalo, toy irony omaly,
mitovy sokajy, sady toa mifandray,
ora iray kanton’ny fo falifaly.
Rahampitso izy hiezaka hiverina eto,
hitsidika indray ny akaniko kely,
hanotra mora ny foko hivetso,
hitondra ny mamy, hitondra tantely.
Ny hoavy izy hinoako fa mbola hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izaho-sy | IZAHO SY…! | RRAG | IZAHO SY…!
Izaho sy ny fanahiko, iray fitoby aina,
miray ahiahy, miombona taraina!
Izaho sy ny fanahiko, samihafa fomba,
samihafa toetra, fa mitamba-ponja.
Izahay roa lahy, mitovy vazo tiana,
mitovy faniriana, fa mifanipa-bina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-raozy-iny | INY RAOZY INY… | RRAG | INY RAOZY INY…
Ao anatin’iny raozy iny, no ametrahako ny foko,
raozy atokako ho anao,
satria iny raozy iny, toa anao ilay tsy foiko,
tsy foiko koa hatramin’izao.
Ao anatin’iny raozy iny, no amborahako fitia,
fitia mitoetra ao anatiko,
satria hinoako fa, iny raozy iny, no mampitovy ny dia,
vao renao ny antsoants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-rindrinefa-pahazazako | NY RINDRIN’EFA-PAHAZAZAKO… | RRAG | NY RINDRIN’EFA-PAHAZAZAKO…
Mbola zaza aho ry Neny, dia norakofanao ‘reo tamby,
ry Dada toa tsaroako ireny, hikahikan-tsangisangy,
toa zaridaina hafakely, tsy mitovy amin’ny hitako,
hafa ihany ny fahakely, na nisy bedy noho ny ditrako.
Ilay teninao ry zoky, tenin-joky be fitiavana,
‘zay nampitraka ahy raha trotrak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/mba | MBA | al'fy | "MBA..."
Mba nindramiko 'lay lalana nodiaviny iny;
Hamantarako ny misiny, izay nafeniny ahy...
Niniako nokosehina ny lasanay fahiny;
Hanomezako sehatra ny anion'ny ahiahy....
Mba nolazaiko tsotra izay voatahiry tanatiko,
Tsy nanomezam-baliny, fa niavonany aza...
Ho vonoiko amin'inona ity afo tsy matiko;
Ho solo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/maso-nifanojo | MASO NIFANOJO… | RRAG | MASO NIFANOJO…
Bikàna toa anjely, ‘ty zazavavy iray,
maso mba nitopy, no indro tafaray,
sariaka tava loatra, ka nambabo ny fijery,
ny foko izay nitroatra, no nitondra misitery.
Maso nifanojo, sendra nifampitazana,
fo roa sendra tojo, tojo fisandratana,
samy tena tia, resin-jery tokana,
te hiara-dia, te mba hifa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/satria...-satria-misy-sa | SATRIA...
Satria misy sa | al'fy | SATRIA...
Satria misy saina
Mampitadidy
Ny zavatra lasa
Niaraha-nanao...
Satria misy aina
Migoka mangidy
'Zay feno ratra
Nilaozanao...
Rava fitia...!
Satria hisy fo
Handraraka indray
Ny voni-manitra
Feno fitiavana...
Satria hisy koa
Rahatrizay
Fotoana salanitra
Fotoam-piotazana
Fanahy miara-tia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fialantsasatra | FIALAN-TSASATRA… | RRAG | FIALAN-TSASATRA…
Ry Iarivo anio indray, dia tinazako ianao,
efa elaela izay, ny foko tsy nahita anao.
Niandry andro, niandry taona,
niandry volana hivalona, niandriandry ‘ty fotoana,
ahafahantsikaroa, mifankahita toy izao.
Ry Iarivokely ô! Nalahelo anao ity ‘zaho.
Fialan-tsasatra isika, vao afaka mifampitafa,
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/topimaso-nifandray | TOPIMASO NIFANDRAY… | RRAG | TOPIMASO NIFANDRAY…
Ery amoron-drano,
ilay fisasànao,
no misy ny efi-trano,
fitoeran’ny talaho.
Eny no maniry,
ny raozy dian’ny fo.
Teny no nitsiry,
‘lay fitia raha vao niandoha.
Topimaso nifandray,
no namatotra antsika.
Fo efa te hiray,
no indray natambatsika.
Hitambatra ho iray,
famato-dani-tany.
Ho ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mba | RAHA MBA… | RRAG | RAHA MBA…
Raha mba maso mantsy aho,
dia afa-nankafỳ, ilay hakantonao.
Afaka nitosy, teny an-tratranao,
na nofy aza izao.
Afaka nisafo, ny endri-tavanao,
dia naka tsiron-tsiky.
Mba vetso toy izao,
no tiako hatsipy.
Raha mba rivotra aho,
afaka miserana,
matetika aminao,
hamaky ravim-pelana.
Hanainga ilay tak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitiavanny-tsy-tiako | FITIAVAN’NY TSY TIAKO… | RRAG | FITIAVAN’NY TSY TIAKO…
Mba tsy handràtra fo, hamery ny ao anaty,
haningo-panindroa, ny felana miranty,
manaingo zaridaina, toy ny fitiavanao,
dia aleo ekeko, ekeko tsotra izao.
Ekeko ny hanalavitra, ‘lay tiako izay tsy tia,
ka horaisiko eto, ny fitiavanao tsy tiako,
satria hinoako mantsy, fa tsy ho tafara-dia,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/eo-ary-fa-fahanako-eh | EO ARY FA FAHANAKO EH! | RRAG | EO ARY FA FAHANAKO EH!
Sokafy ny vava, ‘ty atelomy,
araho tsiky lava, dia ho renao ny fony!
Ny tsiron’ny hatsarany, mambabo ny lela,
tapero hatramin’ny farany, dia aza asiana tavela. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-pejy-iny | INY PEJY INY… | RRAG | INY PEJY INY…
Aza hadinonao ry tiako, ilay pejin’ny fanahy,
ary mba hiriko, ny hanofisanao ahy.
Misafo moramora, ny tavanao malefaka,
manala ny adin-tsaina, zary entana mavesatra.
Iny pejy iny, no hany tokana akany,
fifandrombonantsika, mizara ireo fitia.
Iny pejy iny, ary iny irery ihany,
no ilavitra hatsiaka,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/miangatra-ny-lanitra | MIANGATRA NY LANITRA | RRAG | MIANGATRA NY LANITRA
Miangatra ny lanitra,
fa misy ao sahirana tsy misy mba atelina,
osa sy mahantra,
zara raha mahita, nefa tsy hahavelona.
Miangatra ny lanitra,
fa misy any olona, manary ny an-tanany, manana ny ampy,
saingy tsy ny mahantra,
no handeha hitanty,
ireny fahasasarana, sy sisasisan’ny hafa,
fa ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/i-onja | I ONJA… | RRAG | I ONJA…
Any ianao ry Onja, ‘lay tovovavy tokana, nanova ny fijeriko!
Nanafaka ahy tam-ponja, nanasa ny hosim-potaka, namafa ny hombom-periko.
Any ianao tsy hita, tsy fanta-piafarana, tsy nahenoam-baovao!
Ny foko aty mahatsiaro, manina anao, ka reko mitalaho.
Toa satriko tsy hisy, ‘ty andro fialàna sasatra, raha la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nofinny-tia-sy-ny-tiana | NOFIN’NY TIA SY NY TIANA… | RRAG | NOFIN’NY TIA SY NY TIANA…
Fantatr’ialahy ve ny ambaran’ny foko? Te hiteny izy hoe:
“Banga tsy feno, ny efitry ny foko,
ny feonao tsy heno, raha sendra antsoiko,
tiako aloakanao, ‘lay teny hoe tiako,
na dia izao dieny izao, izany dia iriko”.
Raha fantatrao anefa ny anatin’ny foko, dia mety hoy ianao hoe:
“Maizina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hiravina-ny-taona | HIRAVINA NY TAONA… | RRAG | HIRAVINA NY TAONA…
Ela ihany ny ela, fa hiravina ny taona.
Ela ihany ny ela, fa ho dify ity fotoana.
Hivadika isa tokana, hitombo isa iray.
Nefa ve ho taona, ho taona hampiray?
Hiravina ny taona, kanefa ny alahelo.
dia ho eny foana, ho eny hihelohelo.
Ka moa hanova inona, izay fivadi-taona?
Azo hinoana ve, tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-avy-aminao | RAHA AVY AMINAO… | RRAG | RAHA AVY AMINAO…
Raha avy aminao ry vola ny hoe: “Fahafahana hotafiako,
dia aleoko aho tsy hitafy”, fa hiboridana eto,
hotazanin’ny mpandalo, ny hamafim-pijaliako,
satria tsy hanafaka ahy, ny aingam-betsovetso.
Ny tarobia mamatotra, tsy miendrika varahina,
fa toa vy maranitra, hatsatoka handràtrana,
ny hany hasi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sambatra-loatra-iny-lalana-iny | SAMBATRA LOATRA INY LALANA INY! | RRAG | SAMBATRA LOATRA INY LALANA INY!
Satriko dia satriko, ho toa azy iny,
ny holalovanao, na dia mba hivahiny.
Handalo hiserana ihany, isaky ny maraina,
famonjinao fodiana, raha sendra rera-tsaina.
Fa izy fandalovana, hita anao matetika!
Izaho tsy hitanao, na dia manova fihetsika,
manao izao sy izao, hanodonanao ny j... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raozy-iray-toa-anao | RAOZY IRAY TOA ANAO… | RRAG | RAOZY IRAY TOA ANAO…
Raozy iray ‘zay toa anao, no tinazako avy ilavitra.
Manahaka izato endrikao, mahavariana mahafinaritra.
Toa malazolazo felana, tsy takatr’orana angamba.
Toy ny raozy amoron-tevana, toy ny raozy iray ‘zay jamba.
Jamba resin’ny fitiavana, natositosika fa osa.
Irery tsy mba mana-namana, raha mis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tena-tiako-ianao | TENA TIAKO IANAO… | RRAG | TENA TIAKO IANAO…
Ahoana no ahafahako, milaza aminao,
fa tena tiako ianao?
Raha toa ka ny vavako, tsy hilaza izao sy izao,
hanababoana anao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/manofisa | MANOFISA… | RRAG | MANOFISA…
Manofisà mamy tsara,
dia tsarovy fa ny soa,
ireny vita fampizara,
sady tena voka-po,
no tahiry nentin-tsaina,
notinafinao fitiavana,
nasianao tokin’aina,
matoria am-piadanana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/sambasamba | SAMBASAMBA… | RRAG | SAMBASAMBA…
Nilatsaka nanify, ny oran’ny fahavaratra.
Nirintona nidify, ‘lay masoandro mba mpitaratra.
Sambasamba anefa, no nahitany anao,
nijanon-tsy nilefa, niatrika an’izao.
Izay tokoa angaha, ny anilan’olon-tiana.
Tsy misy mampanahy, tsy hananam-panahiana.
Sambasamba ianao, naharitra ny farany.
Sambasamba k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ravina-nahintsana | RAVINA NAHINTSANA… | RRAG | RAVINA NAHINTSANA…
Toy ny fo ‘ray tena tia, dia misy foana sotasota.
Misy esoeso lava, handringanana ny osa.
Misy latsalatsa teny, handotoana ny madinika.
Misy miezaka mangina, misy minia mikitikitika.
Manararaotra fahefana, mireha hery tsy mitovy.
Manararaotra fahajambana, tsy mba misy taho-tody.
Mieboebo toa a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tanivom-pahasahiana | TANIVOM-PAHASAHIANA! | RRAG | TANIVOM-PAHASAHIANA!
Tanivom-pahasahiana aho, no nihemotra niahotra.
Takaikin’olon-tiana, no nihovitra natahotra.
Nivarahontsana avokoa, ny tena manontoloko.
Nirintona ny fo, toa tsy mba voaonoko.
Tanivom-pahasahiana aho, no nihataka niala.
Tsy te hiantso anao intsony, hiantso anao malala,
fa satriko voakosoka, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/1e-page | “1e PAGE”…. | RRAG | “1e PAGE”….
Sorito eo anoloan’ny fiandohan’ny nofy,
ny anarako ry tiana!
Dia ho hitanao, ny foko te hitosy,
anaty faniriana.
‘Zay miezaka mangina, mibanjina anao,
mijery olon-tiana, ka hanofinofy anao.
Sorito am-piandohan’ny ali-nofinao,
ny endriko mitsiky!
Dia ho voaloham-pejy, ilavitra fandao,
‘lay tena hak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fatorana-ho-ahy | FATORANA HO AHY! | RRAG | FATORANA HO AHY!
Anio aho handray ‘ty peratra,
hanolotra izany anoloan’ny alitara!
Hanofoka azy avy eo, amin’ny tananao.
Mpivady isika, isika ilay mpivady vao.
Hanaiky aho, tsy handà izay ambara.
Hianiana aho, porofoiko fa ianao no ilay anjara.
Dia hovoadiako, hovoadiako mandramaty.
F’izaho sy ianao, iray fo an... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.