url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-hatory-ianao | RAHA HATORY IANAO… | RRAG | RAHA HATORY IANAO…
Raha hatory ianao dia, mba homano ao mialoha,
aza atao faram-pejy, fa tena nofy avy ao am-po,
no handravahana ny alina, toy ny ataon’ny kintan-danitra.
Tsarovy aho, raha hatory ianao, na takatrao ny faralanitra!
Raha hatory ianao dia, ny endri-tavako tsaroana,
ary ataovy ho isa-nofy, ‘lay oro-p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ilay-fahazavako | Ilay Fahazavako | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Tao anatin’ny haizim-pito aho
No sendra nahita hazavana
Fahazavana feno mamirapiratra
Efa jambena aho koa indro indray nahiratra
Fotoana maro Gadrain’ny fitia
Ny fo sarona, voafehy, voafonjam-by
Koa saika sasatra, sy reraka aho
Soa ihany anefa fa nahita anao
Ry ilay fahazavako rahatrizay
Efa avy nisedra aho k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ijaliako-irery | IJALIAKO IRERY | Fredy Jaofera | IJALIAKO IRERY
Ijaliako irery
ny alahelo anao
rehefa voatery
ka tsy be lalao.
Ijaliako irery
ny onjan-tsento
rehefa mahery
ka avia re ento !
Ijaliako irery
ny fotoana maro
rehefa teritery
sy feno tsiaro.
Ijaliako irery
ny elanelan-tany
rehefa mamery
ka latsa-tomany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rf-ravakiniaina/ventso | VETSO | RF Ravakiniaina | VETSO
Manonja mafy sy mifaoka
Ny donam-pitiavana anao
Manonja mafy mampitroatra
Ny herim-pitia anatiko ao
Toa mifatotra aminao
Nigiazana tsy hay vahàna
Vonton-tsento t’anilanao
Ka tsy vintan-jovy hoalàna
Misaina anao segondra fohy
Toa andro zatom-panembonana
Segondra vitsy tiako hatohy
Ho taona maro hifanat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/samy-tiako | SAMY TIAKO | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Tiako ianao ho anilako
Nefa izy koa tsy foiko
Raha fanahy ianao dia silako
Nefa izy koa dia foko
Tiako ianao tantanako
Sy izy ho ampofoiko
Ary iriako ho samy anjarako
Ka samy koa koloiko
Ianao dia itondrako
Teny mamy mahatamana
Ary izy koa dia izarako
Angoty sy hafanana
Izy raozy fotsy
Fizaràko fitsikina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/ontsa-ny-foko-mahita-ity | Zanak' iza ? | Sento tokana | Ontsa ny foko, mahita ity zaza mangaina,
miantsoantso mitaraina,
mangataka, mitalaho miandrandra famonjena
eto anivon-tsena.
Ontsa ny foko, mahita azy ketraka,
fa nohon'ny fitia vetivety ve sa hetraketraka?
dia nisy izy tafapetraka
anivon'ny tontolo izay tsy niriany akory?
Ontsa aho, fa raha mba safidinao mants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.august/raha-toa-ka | Raha toa ka | R.August | Raha toa aho lasa ka nandao anao
Dia aza misy adinoina ny zavatra vita niaraha-nanao
Fa tehirizo tsy ho very, ao am-ponao samy irery
Kanefa
Hadinoy avokoa ny zava-kinasa niaraha-naniry
Ataovy toy ny lamba niaraha-nanasa sy toy ny voa tsy nety nitsiry
Ka
Rehefa mahita zay mety ho soloko dia manorena fahasambarana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tsiaro-ny-omaly | TSIARO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TSIARO
ny tsiaro ny omaly
navalon'ireo taona
tsy foana akory ireny
fa mitoetra ao an-tsaina
ny embon'ireo lasa
efa zary hirahira
Notinefy tao an-tsaina
angamba efa kalon'ny fahiny
ary ireo tononkira ny fitia
zary lasa vetsovetso
hatsiarovana ny omaly,
tomany no hany setriny
injany vetson-kira
manako sy mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/afom-pitia | Afom-Pitia | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Miredareda mafy ao am-po
Ny faniriko hiaona aminao indray andro
Koa ny maraina aho, raha vao mifoha
Dia ny manembona anao no ataoko isan’andro
Toa mahery vaika manenika ahy
Ilay afom-pitia izay mitoetra
Ny olana rehetra nanjary tsy tsiahy
Rehefa lasanao ny momba ahy rehetra
Na ny Ony aza hoy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafy-noely/tsimbazaza | Tsimbazaza | Dafy Noely | Malaza ary fantatra ny ao Tsimbazaza
Fa lapan’ny biby sy zava-maniry.
Koa raha manam-potoana mba ento ny zaza,
Hijery rajako tsy fahita firy.
Mitsambikimbikina sy milalao,
Mandany hery tsy mifampitsitsy.
Ka rehefa reraka, indreo ny anao,
Vao mahita akondro tsy tana mihitsy.
Fa ao koa ny gidro mpanangana tanana,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/alina-iray | ALINA IRAY | ILIMIM JIVISDI | Nitroatra ilay fitiavana izay niredareda
Tsy nanaiky intsony ka nofohazinao ry ela
Ilay oroka nafana, to anatin' indray alina
Nitarika hadalana, tsy takatra takarina
Ilay feonao niantefa, tsara sady tony
nandrendrika ny sambo, tany anaty ony
Fitia daholo ireny tsy nifanomezan-tsiny
Ny masonao mihitsy, no nambabo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/zotranny-fanahy | ZOTRAN'NY FANAHY | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Mahafinaritra ahy ny mankeny an'habakabaka
Rehefa alina mangina diavolana ohatr'zao
Mahafinaritra ahy satria tontolo miavaka
Rehefa tapitra mangina izao tontolo izao
Rehefa injay miainga ny fanahiko mankeny
Dia mba mitondra penina sy pejy fanoratana
Tsy hoe izy diso lalana na koa hirenireny
Fa hikaro-java-tsoa k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/mahay-mitia | Mahay Mitia | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Ry ilay nirin’ny foko
Toa sadaikatra aho ny hitia
Nefa toa tsy ho foiko
Ny tsy ho eo anilanao akia
Toa misalasala aho ny hiteny
Sy hanambara ilay fitia
Noho ireny fihetsikao ireny
Moa ve mahay mitia ?
o Mbola Nofy aloha hatreto
o Ny fahasambarantsika roa
o Ny hoavintsika mbola sento
o Mbola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-ny-lelako | RAHA MBOLA NY LELAKO… | RRAG | RAHA MBOLA NY LELAKO…
Raha mbola ny lelako,
no hanonona anao,
ry ‘lay Gasikara.
Dia tsy mba hoferako,
tsy avela amin’izao,
ho hisy handrara.
Raha mbola ny lelako,
no tsy notapahina,
ka afa-maneho,
ny hevitry ny tenako.
Dia ny aingam-panahiko,
no rafitry ny dina,
tsy maintsy ho haseho,
satria reharehako.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mangina | MANGINA | Fredy Jaofera | Kotsa mangina
ny masoko roa
fa any ilay tiana
tsy eto mamoha.
Foana mangina
ny tsikin'ny tava
ka tsy hafaliana
no miorina lava.
Mafy mangina,
maharotsa-delo
'ty boky vakina
fa be ny alahelo.
Simba mangina
'zay eritreretina,
tsy hay valiana
raha toa aretina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ireny-asa-soratrao | IRENY ASA-SORATRAO. | RRAG | IRENY ASA-SORATRAO.
Narafitrao ho pejy, takila maromaro,
ny asa-soratrao.
Dia niondrika ianao, indray nanganohano,
ny sori-tavanao.
Ny sora-tananao, toy ny raozy tsy mety maty,
mitoetra hatramin’izao.
Safo iray nandalo, namelona ny aty,
ny aingan’ny fonao.
Ireny asa-soratrao, tsy vitsy tia mamaky,
tsy vitsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izaho-sy-ny-fanahy | IZAHO SY NY FANAHY… | RRAG | IZAHO SY NY FANAHY…
Izaho sy ny fanahy hono, mba niresaka ny hoaviko,
tsy nitovy vina, nifanipaka fijery.
Ka ny ahy sa ny azy, no ‘ndeha aloha hotoaviko?
Ny ahy faniriana, f’izaho tsy afa-miady irery.
Izaho sy ny fanahy mantsy, mifampiankin’aina,
ny ràtrako mba feriny, miray izahay taraina.
Ka raha tsy toaviko i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/miarena-na-dia-tara | MIARENA NA DIA TARA… | AbouNusrayni | Ny fotoana efa lasa tsy azo averina intsony
Ny fahazazana nolalovana indray tsy miverina
Ny dingan’ny hatanorana mikoriana toy ny ony
Rhefa tapitra fetr’andro any am-pasana no aterina.
Raha ianao hialokaloka amin’ny resaka anjara
Hoe tsy maintsy ho tong’ihany ka tsy misy maha-maika
Ny akon’ny sadify anie maha rat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianareo-roa | IANAREO ROA | RRAG | IANAREO ROA
Nosakanana tsy hitia, tsy mba hifankatia, ianareo roa.
Izany sanatria, tsy nahasakana akory, ny fientanam-po.
Nalavirina ny maso, nalefa nita rano, mba tsy hifankahita.
Fa toa vao mainka ireny, nampitombo ny fitia, sady indray nampita.
Noterena vay manta, ny hisarahan’iny fo, ‘zay samy tena tia.
Nofeh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jeannot-baptiste/afaka | AFAKA | Jeannot Baptiste | Afaka, eny afaka tokoa;
'Lay geja nahazo ahy taloha.
Mifaly aho, eny mifaly hatrany;
Satria nahatsapa ho tena afa-jaly.
Afaka ny gadrako nanidy;
Izay nahatsapako ilay tena mangidy.
Natsipiko ireo sentosento;
Ka afaka,eny afaka aho hatreto.
Afaka ny fanaintainana mahamay;
Ilay niaretako indrindra rahatrizay.
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vakiboky | NY VAKIBOKY | Fredy Jaofera | NY VAKIBOKY
Ny vakiboky
dia asam-pisasarana
sy hany toky
mitondra fivoarana.
Ny vakiboky
dia hery anankiray,
toy ny zoky
manoro ny tsy hay.
Ny vakiboky
dia fialamboly tsara
mbola roky,
n'aiza n'aiza ambara.
Ny vakiboky
dia ora mahafinaritra
ka izay foky
zara raha maharitra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kintana/anatra | Anatra | Kintana | Raiso mora,
Ry tanora,
Zay ho tsara
Mba ho zara.
Andosiro,
Halaviro
'Rony hafa
Mpanantsafa !
Giazo mafy
Mba hihady
'Tony saina
Be taraina.
Tena adala
Raha ny vala
No dikaina
Tsy hajaina.
Fa ny hendry
No voatendry
Ho mpanjaka
Sy hizaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafy-noely/antsahanembona | Antsahanembona | Dafy Noely | Moa fantatrao Malala
Fa any Antsahanembona…
Ny lanitra diavina,
Ny tany lolohavina,
Ny vava no mandinika, ny saina no mivolana
Ny fahoriam-panahy no lasa vaha-olana?
Any Antsahanembona
Mifototra ny ora,
Isika hiha-tanora,
Ka ny tsiaro indray no mialoha lalana
Ny efa tsy azo atao no ahazoana alalana …
Any Ant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/auguste-rajon/radoka | Radoka | Auguste Rajon | Niainga izany Radoka
Mba hiditra an-tranom-botika,
Nifoka, nigoka, niloka,
Tsy ela dia indro nihiaka !
Nivoaka dia iny nitraingy,
Nanao famindran'ny gatry,
Nirada fa olona gaigy,
Nivena, nidola tsy satry.
Ny lamba tsy zakany intsony,
Ny hetra nifafa ny tany ;
Ny vavany maimbo rongony,
Ny ompa manaraka ihany.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/auguste-rajon/harivariva | Harivariva | Auguste Rajon | Dia nidina mora tandrefana tao,
Ilay masoandro namiratra soa,
Notronin'ny rahona be mitatao,
Nivolom-bolamena madera tokoa !
Tsy ela dia iny fa lasa nidify
Nafenin'ny bonga, tsy nisy nitranga,
Ka taratra kely io efa manify
No sisa nisoritra an-danitra manga.
Ny tendron'Ankaratra indro nisaona,
Notakontakonan'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/vonim-boahirana | Vonim-boahirana | Jean NARIVONY | Mipoitra moramora
'Lay vony vao tanora,
Mivelatra baliaka
Toa endrika sariaka.
Ny rivotra mifafy,
'Zay tsy mamely mafy,
No indro mampandihy
'Lay haingon'ny farihy !
Tazanina eny am-pita
Ka bako sady ngita :
Midola fa tsy kamo
Ny vonin-dRatatamo !
Miaingitra aok'izany
Maneho ny hatsarany ;
Fa voninkazo soa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dan/raiketo-ho-anao | "Raiketo ho anao" | Dan | Ny anton'izao alaheloko izao
Dia raiketo mangina ho anao irery ihany
Izay tsiambaratelo efa lalina ao!
Toa mitampody ary mampitomany
Mba lazalazao re ry lasa nantsoiko
Ny hiran'ny kintana efa mirindra
Ny masoko roa sisa safosafoiko
Izay narahina sento maharitra indrindra
Naniry aho kanefa indrisy ry tany
Izay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafanoharana/ilay-ony | Ilay ony | Rafanoharana, Bolespara | Variana ny masoko, gaga ny saiko,
Mahita 'ty ony mandalo tanàna :
Milamim-pisosa toa efa voabaiko,
Manatona ihany an'ilay fiafarana.
Ny onja madinika, indreny misangy,
Toa ondry aman'osy mifaly havanja ;
Ny roatra tsy rototra, toa mampitamby
Mirona malako fa manam-pilanja.
Ilaozako anefa 'lay toerako teo,
'Ty ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafanoharana/sahondra | Sahondra | Rafanoharana, Bolespara | Eny antsefatsefam-bato misy vony iray bakora,
Mavo mena valabalaka, tena volom-bolamena ;
'Zato endriny sariaka, toa niangaran'ny natiora,
Tena maorina aok'izany, toa misatro-diadema.
He ! jereo ireto volony, tsara randrana aok'izany,
Mikorazorazo maro, mahafatifaty anie ;
Tsofin-drivotra malako, ka mipelaka hatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafanoharana/mba-lalina-loatra | Mba lalina loatra | Rafanoharana, Bolespara | Mba lalina loatra ny zava-mahazo
Anay vehivavy hiraina an-gazety ;
Raha ahitra manko 'zahay dia halazo,
Ho maina, ho maty, ho lo vetivety !
Na olon-dehibe na zaza, tanora,
Dia samy miteny, manao aok'izany !
Vehivavy ! Vehivavy ! O ! tena fatsora ;
Ny zanak'i Eva mandoto ny tany !
Kanefa ;
Mba iza 'reo olona ti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nahatonga-ahy-poety | NAHATONGA AHY POETY | Fredy Jaofera | NAHATONGA AHY POETY
Ny fitiavana
no nahatonga ahy poety
vao goavana
'zay fiainam-bao nitety.
Ny alahelo
no nahatonga ahy poety
vao tsy helo
'zay nipoitra toy ny fety.
Ny adiady
no nahatonga ahy poety
vao nitady
'zay noheverina fa mety.
Ny anjara
no nahatonga ahy poety
vao voarara
ny lalan-dratsy mbola e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriampanarivo-j.-d/ny-any-aminay | Ny any aminay | Andriampanarivo J. D. | Injany lamako sy hiran-kilonga
Manakoako arahin'amponga
No re any ho any,
Fa inona izany ?
Ankizy mivory. Jereo ny ataony :
Manao boribory, ka ny eo afovoany
Misikina lamba
Tsy mihambahamba.
Itehafan'ny zandry dia mihodina mora,
Manao tsipy sandry eo anivon'akora ;
Ny sorony roa
Mandihy avokoa ;
Mamindra mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/antso | ANTSO | Fidy Art Niaina | Antson'olom-bery
Kiaka an-tsesitany
Miantsoantso samirery
Migogogogo mitomany
Antson'olon-dresy
Niantso vonjy nitaraina
Noho ny loza nifanesy
Saika niala hatramin'ny aina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/ny-tanantsika | Ny tanantsika | Jean NARIVONY | Jereonareo ange
'Ty tanantsika ity,
Fa mahavita be
Sy mahasoa ery.
Jereo ny ankihibe,
Na dia mihataka aza,
Tsy mianjona fa he
Manampy ireto zaza.
Raha izy no tsy eo,
Tsy vita izay atao ;
F'ireo rehetra ireo
Ataony an-kika bao.
Manaraka io indray,
Tazano ilay fanondro
'Zay kinga sy mahay,
Tsy azo omena fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dan/fasanavelo | "Fasan'avelo" | Dan | Nokendreko mba hosoloiko
Ilay fasanao
Indro fasan'avelo ny foko
Ka manahy na izao
Ao ny nofy madiva
Izay tsy mba nalaina
Ao ny vovoka iva
Novolavolaina
Namindra tao ny tongotra
Na mandroso efa alina
Ny vetso tsy miongotra
Ka zary nivalona
Ianao no hirahirako
Izay hita tena kanto
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajaobelison-samuel/raosy-jamba | Raosy jamba | RAJAOBELISON Samüel | "Raosy jamba e ! Raosy jamba !
Avia manatona, fantaro, zahao !
Raosy jamba e ! Raosy jamba !
Raha mahatazana anay ianao".
Ndreo mifamory ny ankizin'ny tanàna,
Manao faribolana akaikin'ny vala
Mifandrairay izy velon-koràna,
Feno hafaliana tsy manan-tsahala
I Mavo no lany ho Raosy jamba,
Ka eo afovoany izy no mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eliza-freda/hono | Hono? | Eliza Freda | O, ry kintana voahangy,
Izay mitsidika ny tany,
Lohalalan'ny mpamangy
Avy any alavitra any!
Izato endrikao diamondra
Toy ny anja-bolafotsy,
Dia nirahina hitondra
Irony tara-drotsirotsy.
Inona, ry kintana iny,
No nitiavanao hifindra?
Ny hiara-mivahiny
Ve no tsy aritrao indrindra?
Tsetra ve no mba nanery,
Se... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.-manoela/ny-reny | Ny reny | R. Manoela | Ny teny mba haintsika rah' vao niteny
Dia ny manonona ny hoe "Neny" ;
Izany no teny iray nanan-kery,
Ka masaka am-bava raha mbola kely !
Ka nony mba noana ity kibo kely,
Ny hany atao dia ny miantso hoe : "Neny",
Dia fantany tsara ny dikan'ny teny,
Ka vary na mofo no indro omeny.
Rehefa mba voky ka mila hatory,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/esther-randriamamonjy/tsy-tanim-pahoriana | Tsy tanim-pahoriana | Esther Randriamamonjy | Ry olo-mitomany
Misentosento lava,
Milaza fa ny tany
Feno haizin-tsy misava !
Moa marina e izany ?
Moa tena fahoriana
No hita hatrany hatrany,
Fa tsy mba fifaliana ?
Ry olo-mitomany,
Mitrakà vetivety :
Dinihonao ny tany
Miravo sy mifety !
'Reo tendrombohitra avo,
Havoana marobe ;
Ny vato mena, mavo,
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eliza-freda/kibo-saokinny-nahiny | Kibo saokin'ny nahiny | Eliza Freda | Ny fitiavana akory tsy sazy
Fa kibo saokin'ny ny nahiny ny azy
Tsy hanaovana teny amboletra
Ny safidin’ny fo no mba fetra
Ny fitiavana voatsangan-kiady
Ka any an-kafa zareo mba mitady
Ny aty tsy azo jokojokoina
Tsy azon’olona lotolotoina
Ny anay ny fitia
Dia fitia manan-kambo
Lolon-javatra, lolon’antambo
Rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/esther-randriamamonjy/amboaran-tsiky-vao | Amboaran-tsiky vao | Esther Randriamamonjy | Avelao ho lasana any
iny taona lasana iny
sy ny sento sy tomany
Ary aza omena tsiny ;
Mbola hisy ny Masoandro
Mbola hisy hazavana,
Mbola hisy hafanana,
Mbola hisy ny maraina
Maro be tsy tambo isaina.
Koa raiso ity amboara atolotro anao,
noho ny TAONA VAOVAO,
hatolotro eto anio amim-po madio :
Amboaran-tsiky... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dan/embona-sisa | Embona sisa! | Dan | Embona sisa ny lasa rehetra
Indrisy tsy fantatra zary tsy azo
Toa embona lalina ka mitoetra
E!Vovoka sisa ilay voninkazo
Embona sisa ilay mba noheverina
Any dia tsy re ary lasa nitony
Any dia any ka tsy mba niverina
Any dia any ka tsy hita intsony
Embona sisa ilay nantenaina
Indrisy fa ratra tsy azo ialana
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sao | Sao | Fredy Jaofera | SAO
Ahoana no anekeny
ny lainga tsy nanarina ?
Ahoana no amboleny
ny zavatra tsy marina ?
Ahoana no tanisany
ny tory nampangitaka ?
Ahoana no itokisany
ny vola be mpamitaka ?
Ahoana no ifaharany
ny toky tsy tanteraka ?
Ahoana no tsisy farany
ny ady nampandreraka ?
Sao, lahy, dia hafetsena
mbola rako-pamon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/ty-fiainako-mahantra | 'ty fiainako mahantra | Skalove | Fa toa voasaron'ny onja
'ty fiainako mahantra
Aty ambadiky ny bonga
'zay tsy misy mpahita!?
Fa toa izaho irery
Tsy mba misy olon-kafa
Mba afaka hampahery
'ty fiainako mahantra
Raha heritreretina toa lalim-paka
Tsy azoko akory ny mahatonga izany
Fa tsy miova 'ty fiainako mahantra
Sa ve efa izao no anjarako et... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/fody-very-anaka | Fody very anaka | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Ny alahelo toy ny rahona, ka raha mavesatra mianjera"
Nitaiza madinika, hono, Rafody,
Kanefa, rankizy !
Indray tolakandro, rehefa nipody
Dia fanina izy !
Nahoana ? _ Indrisy fa very ny zaza,
Nalain'ny mpihaza !...
Nikaroka mafy : nitety ny saha…
Ho hitany angaha ?
Odrey ! Mahonena ! Nisento ! Nangaina !
Fa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/azafady-indrindra | Azafady indrindra | Ny Avo Elabakaka | Raha toa tsy maintsy ho izao
ny ho lalana hizoran'ny fiainako sy ianao
dia... azafady indrindra,
eny an-dalana eny, mety aho tsy afaka hamindra
mahita anao mandalo,
mety io vavako io ho enonao mikalo
ny anaranao matetika.
Mety io masoko ioo mbola te-handetika
fitiavana tsy potiky ny ora sy fotoana
mety koa ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eliza-freda/hiran-jaza-kamboty | Hiran-jaza kamboty | Eliza Freda | Misy maro izao mikalo
Tsy mba manam-pahavalo;
‘Zaho kosa toa mimalo,
Toa latsain’izay mandalo
Ao ny revo mikorisa
Eny an-dalam-paradisa;
‘Zaho kosa mitanisa
Fahorian-tsy hita isa!
Ao ny voky safosafo
Hafalia-mitafotafo
‘Zaho kosa misakafo
Sady mandry tsy amin’afo!
Ao ny mbola velon-dReny,
Manan-dRay hiteni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eliza-freda/vetsovetso-takariva | Vetsovetso takariva | Eliza Freda | Singan'olona toa very izany izaho,
Ravin-kazo tafasaraka aman-taho,
Tapak'ahitra entin-drano ka indrisy!
'Zay mba toeran-kitodiana toa tsy hisy!
Zana-borona nanintsana elatra aho,
Raiki-tahotry ny oram-be mitraho;
Tsy mba zatry ny fanalan-keniheny
Ka maniry hombomban' ny ela-dReny!
Ombimanga diso ala mantsy aho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-namako | TSY IANAO | Fredy Jaofera | TSY IANAO
Tsy ianao no heriko
fony nahazo fijaliana,
veloma fa tsy veriko
'zay tsara hotadidina.
Tsy ianao no andriko
fony tojo adin-tsaina,
veloma f'efa mandriko
'reo tomany nozakaina.
Tsy ianao no tokiko
fony tra-pahavoazana,
veloma fa ny sodiko,
'zao koa tsy tazana.
Tsy ianao no namako
fony tojo fahare... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/vorona-mifidy-mpanjaka | Vorona mifidy mpanjaka | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Izay hendry atao Ingahy"
Ny voro-manidina, hono, 'ndray maka,
Nanao fanekena
Hifidy mpitarika iray ho mpanjaka
Sy tompo hekena.
Nitsangana Ingahy Ragoaikan'Iarivo
Mpitazana Andriana,
Nilaza fa izy karazana anivo
Ka tsy azo idifiana.
_ Ny tratrako fotsy ; ny tenako mainty ;
Ny feoko mazava !
Nanda ny vahoaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/vonim-boasary-mihintsana | Vonim-boasary mihintsana | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Tsy misy vao tsy ho manitra, fa rehefa tonta sahala ihany"
Indray lohataona, nanao fampitaha
Ny foto-boasary tanatin'ny saha ;
Ka samy nanao fara-haingo vazaha :
Batista fotsy natao tsara didy,
Nasiana galom-bolamena voafidy,
Nilafika ravina soa sarobidy !
Ny hanitra indray ve ka hita holazaina ?
Fa izany 'lay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/tsintsina-nanao-akany | Tsintsina nanao akany | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Aza manao tsinjo voron'i Mazoto"
Sahirana, hono, ity tsintsina kely,
Nikaroka bodo hanaovana akany.
Nahita izany ity renintantely
Ka dia nanontany :
_ Simokitra mafy ny havako izany !
Maninona angaha ?
_ Manaiky ny didy mifehy ny tany :
Manao raharaha !
Nikatroka izy. Nitady, nitaona,
Fandrao diso taona.
Na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/vano-nizaha-tandindona | Vano nizaha tandindona | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Aza mandika ny soan-Janahary"
Aza vinitra ami-Nanahary,
Ry sakaiza!
Na salama isika na marary :
Tsara taiza !
Velon-tsento teo amoron-drano
'Ngahy vano :
Eisy ! 'Zany tongotro sy vava
Diso lava !
Raha izaho, manko, no nifidy
Sy nandidy :
Dia naleoko zeny toa arosy
Tsy hanosy !
Kanjo dia nandalo kosa, hono... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eliza-freda/ilay-reny-tsy-miteny | Ilay reny tsy miteny | Eliza Freda | Ao ambany
Dongon-tany,
Ao anaty
Vatam-paty,
Misy Reny
Tsy miteny
Hatry ny ela
No tavela ...
Reny tiana
Nitosiana
'Lay nitondra
Fo diamondra!
Fo malala
Tsy mba niala;
Niara-paly
Sy nijaly!
Fony izaho
Maitso taho,
Raozin'aina
Nolalaina ...
Fony mbola
Niangola,
Nisakafo
Safosafo!
Tambitamby
Manana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dan/mbola-tsy-fantatra | Mbola tsy fantatra | Dan | Ny kintana avo sy volan'ny foko
Takona ka indro fa tsy mba mazava
Nanjary voasompatra ka indro toloko
Rakotra rahona tsy afa-misava
Tsy mba nipoitra izy ireny fa any
Indrisy ilay masoandro fa tsy hita!
Lasa ny anio ary ny alina tamy!
Foana ka rendrika tsy ho tafita
Toa embonembona sisa mitroatra
E! Aizina re n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/tsikirity-momba-fody | Tsikirity momba fody | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Toy ny tsindranolahy an-keniheny :
ny tama-miray ihany no miray"
Tafaraka tamin'ny fody nihira
Ilay tsikirity saresaka izay.
Kanefa toa fasika anatin'ny sira :
Tafaraka ihany, fa tsy mba miray.
Rehefa mikalo lay singany irery :
Tsy misy toreby ho saikiny akory,
Ka dia nanjoretra toa olona very
Ilay tsikirity,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/tovovavy | "Tovovavy" | Skalove | Indray hariva izay
Teo am-pototry ny hazo
Nisy tovovavy iray
Nilalao vonikazo
Tovovavy tsara tarehy
No maontina fiakanjo
Izy io dia mamehy
Karazam-bonikazo
Tovovavy tsara bika
Tovovavy lava volo
Tovovavy kely sarika
Tovovavy tsara fijoro
Tovovavy tso-piainana
Tia mioty vonikazo
Sady be fandeferana
Amin'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/tsiahy | "TSIAHY" | Skalove | Mitsoko mangina
Ato am-poko ry tiana
Ilay toetranao mahaliana
Maneho hafaliana!
Tsy afaka ato an-tsaiko
Fa zary lasa tanisaiko
Hampitony ny adalako
Ilay feonao milanto
Toa manala sorisory
Mampifaly,mampitony
Ka tsy haiko atao an-kery
Ny fitiavana ao am-pony.
Tiako ianao kanefa
Ny foko tsy nahefa
Fa tamina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/oloniza- | OLON'IZA ? | Fredy Jaofera | OLON'IZA ?
Olon'iza ange ianao no hampihodina ny fiainako ?
Tsy fantatro avy akory ka nahoana no itarainako ?
Mandehana fa ny vava, tsaroako dia tsaroako,
hofohaziko rahatrizay rehefa iny ka misoko.
Olon'iza ange ianao no miseho ho mafy indrindra ?
Raha mino fa mahery, tsy ny tany, hoe, afindra !
Tsarovy fa ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/fitia-hafakely | Fitia hafakely | Skalove | Fitia hafakely ny fitiavantsika roa
Toa sangisangy nefa avy ao am-po
Jerena goragora kanefa mafy fatotra
Ilay fo mifankatia ary tena mifamatotra...
Indraindray ny saiko mandinika lalina
Ny mijoro toa tsy haiko,mitsangana toa fanina
Raha vao mahitanao mitsiky aho ry aiko
Dia tsapako ho velombelona ny fanahiko...
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/rahona-mainty | Rahona mainty!! | Skalove | Indrisy ilay lanitra manga fahiny
Fa toa saron'ny rahona mainty ankehitriny
Ary tsy misy hazavana mba tazana izany
Fa aizina avokoa no mameno ny tany!
Nitomany ny foko nahatsiaro nalahelo
F'ilay paradisa soa nivadika helo!
Isan'andro ny tavako kotsan-dranomaso
Angamba ny fiainako nisy nanao ankaso!
Fa rahona ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/amalona-sy-sahona | Amalona sy sahona | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Matin-kaninkely toa amalona"
Indray takariva nandrahona :
Taitra ity sahona
Fa tana-mangeja, farango mandratra
Namely ny tratra !
Dia nandro tsy fidiny tao ankamory ;
Nandao ny sakaiza niaraha-nivory,
Ka very ny tory !
Amalo-masiaka no mba nihantana :
"Vonjeo aho, dada, fa ngoly sy ana !"
_ "Mangìna fa remby... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/ilay-sokina | Ilay sokina | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Niala tao Ankatso ka eo Ambohidempona"
Teo amoron-drano, 'ndray mandeha,
Nisy sokina nirehareha.
'Zay valala sendra mba nandalo
Lany ripak'itsy fahavalo.
Kanjo tampoka, injany feo !
Taitra Isokina ka lasa teo.
'Njay ny feo !... akaiky !... feon'aliaka…
Aiza no nilefa ihavantsika ?
Indro, lavaka mitanatana !
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/tanalahy-sy-angidina | Tanalahy sy angidina | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Mihevera tsara, fa ny andro iray no tsy tanty"
"Ma...ty !" hoy ny tana lava lela.
"Ay !... Vonjeo !... Narary hatry ny ela !"
_ "Zovy ?" hoy Rangidina nandalo.
_ "Zaho !... Maty !..." _ "Sao dia fahavalo ?"
_ "Maty !... Maty !... Kibo !... Tratra !... Loha !...
Herinandro 'zao ...tsy nahafoha !..."
_ "Ndrisy ! ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/lambo-sy-tanalahy | Lambo sy tanalahy | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Ny ady : volom-balala ka izay tia azy ihany no ditsoka !"
Isao fa tsy tambo
Ny foka be hambo !
Nahita ny tana nijoko valala
Tamoron'ny ala,
Ny lambo nitoha.
Dia hoy ny fiteniny : "Avia, ry 'lay kely,
Raha te hifamely,
Hanao katro-doha !"
_ "Tsy sarotra izany, ry Ikaky malaza,
Fa sangin'ny zaza !
Farito ny t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/diso-fiantefa | DISO FIANTEFA | Fredy Jaofera | DISO FIANTEFA
Diso fiantefa
ny foko
nankany
fa izay efa,
toloko
aok'izany !
Diso fiantefa
ny saiko
nitady
ka ny nilefa
no haiko
fa mpiady.
Diso fiantefa
ny vina
natao
ka rehefa
toa sina,
ory toy izao ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/gisa-sy-dokotra | Gisa sy dokotra | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Lohalika sy laferana : ny mikomotro, mavo ; ny mandefi-mandina".
Indray fahavaratra : tonga ny rano !
Dia faly ny dokotra, samy lomano !
Kanefa nanatona ity gisalahy :
Nanao ambozizy, nanao sahisahy !
Voakapoka mafy ity dokotra kely ;
Dia taitra ny rainy, ka saiky hamely !
Fa tamy nanatona kosa ny maro,
Ka sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/handriko | handriko | dafa | handriko foana e!
na ho firy taona,
na ho firy volana.
Ilay andro iray hanekenao ny fitiavako.
Andriko io rahavako!!!
Fa androany aloha,
mandehana ka tetezo ny habaka fitia!
fa ny toeran-dry ?
Miandry eto foana
tsisy hanolo izany mihitsy!
koa mandehana, iky,....
Fa rehefa voadona avy any
dia izaho miandry e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/io-fitiavana-io | io fitiavana io | Jayah Razafi | IO FITIAVANA IO
Na toaka firy damizana
Na sigara am-ponosana
na hoe matanjaka ry akama
Na bikana sy nofosana
dia mora hanadino ah!!
….tsia…
Io fitiavana io?!
Misy hery tsy mampino
ka tsy mety hoe ampirimo
Tsy ny fitadiavanao hafa
Hanoloana izay tsy tafa
Sy hanindrina izay nialàna
ka hitady tsaratsara
Mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/vazonny-manina | vazon'ny manina | Jayah Razafi | te ho any kanefa tsy sahy
asa nahoana angaha?!
te hisidina kanefa tsy afaka
matahotra sady mitsatsaka
te hiteny kanefa he miahotra
ndrao tsy hahazaka ho lavina
te hamihina nefa matahotra
ndrao voatosik'ilay notiavina
te hijery na mba hahita maso
ilay salovany ho ody an-doha
te hiantso hanao hoe andraso
hitsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/ilay-sokatra-sy-tanalahy | Ilay sokatra sy tanalahy | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Roa lahy miditra ala, ka izy tokiko, ary izaho tanjany"
Raha ianao no mino, fa io mpanompo sampy :
Mpiara-monina, e, dia aoka hifanampy !
Tany Sandranavy, vohitra any Ibara,
'Zao no tafasiry efa reko tsara :
Nisy, hono, sokatra antitra sy jamba
(Biby hafahafa, toa karaza-mamba?) :
Niakatra an-tanety, nidina ao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/va-tsy-tsapanao-ny-lanjan | Va tsy tsapanao ny lanjan | Jayah Razafi | Va tsy tsapanao ny lanjan'ny fitiavako?!
Moa tsy henonao ny tsirony nomeko?!
Aleo averiko indray fa tiako ianao rahavako
Ka sanatria ho ahy ny hanome anao izay sento
Va tsy inoanao ny toky izay natao?!
Moa tsy tazanao ireny fihetsiko hatrizay?!
Raha toa tsy ampy dia averiko izao
Tia anao ny foko,ary ho mandrakiz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/voafitaka | Voafitaka | Timoty Josto | Malala a...
Misy zavatra lazaiko
Fa aoka ianao ho tony tsara
Tsy foiko ianao ry sombiniako
Fa ny antsika roa tsy anjara
Ffaa...
Aza tapahinao ny teniko
Efa manambady aho tsy afeniko
Samy tiko nareo roa
Fa izy kosa no tonga aloha..
Setra a,ianao ve mamo?
Sa 'zaho no manonofy?
Sa ianao mitantara angano
Mba e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/saobakaka-sy-tsindretra | Saobakaka sy tsindretra | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Tsontsam-paika ka matim-bela"
Omaly, fa tsy ela :
Bakaka sy 'Ndretra nikatroka vela !
Nafana ny paika
Fa samy tsy maika !
Harefo sy herana sy ny zozoro :
Tsy nisy nanoro !
Jambena Ibakaka
Ka niala ny laka :
Nofoinan'Indretra
Ka tora-mitoetra !
Ny toho sy trondro dia indray nisahotaka,
Indray nitanaka toa m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/embona-2 | embona 2 | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | embona!
ny manembon'olon-tiana
eny an-tratran'olon-tiany
no tsy zakan'ny ati-doha
ianao miombon-kafaliana
amin'iny rafiko iny
no mahatoro fo,
ny alin'ny aizim-pito
miandrandra ny maraina
sy manantena ny hazavàna,
toa zary fijaliako
no miandry tsy antenaina
rehefa injay raràna
nosoratan'ny R-R Mahavonjy Aim... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/ilay-sahona-sy-ny-bibilava-ary-ny-takatra | Ilay sahona sy ny bibilava ary ny takatra | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina"
Rasahona, 'lay mpikabary mahay :
Sondriana nitelina kankana iray.
'Lay izy variana iny indrindra, dia injay !
Tsaroany fa misy mitsaika any ho any.
Ka inona, re ? _ Bibilava masiaka !...
Nambosika ilay bory tongotra ratsy,
Ka dia velom-bolo, fa ngeza ny vatsy !
Nifona ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lodin-andriamanitra/...-fantaro | ... Takaro | Lodin Haroniaina. | Fantaronao ry indrisy ...
Enga anie ianao hahatakatra,
Fa ny afo be dia tsy misy,
Ny paradisa no ankamantatra.
Zava-boary potika sy rava,
Ny fihariana miha-ritra,
Fitiavan-tena sy ady lava,
Izany no afobe an-tsika.
Leo miaina ny tanora...
Ny fanantenana miha-ritra,
Ny fivelomana tsy mora...
Izany no afobe an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johanesa-rakotovao-mpitandrina/zana-tsora-telo | Zana-tsora telo | Johanesa Rakotovao, mpitandrina | "Mandehana dieny malaina, fa raha mazoto tsy afaka intsony !"
Kely be tohika ireto zana-tsora ;
Ka tsy nino anatra, na teny mora.
_ "Taomy, re, rankizy ! Betsaka ny kila !"
_ "Valaka aho, Neny ! Rahampitso mila !"
_ "Ary moa ny kila tsy mandoto zaza ?"
_ "Sady hanin-dratsy mankarary aza !"
Zana-tsora telo, kamo,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/zaho-hanao-mpitsabo | 'Zaho hanao mpitsabo | Timoty Josto | 'Zaho hanao mpitsabo
Medecine hafa kely
Hikaroka sy Hitady
Hivezivezy toy ny tantely
Tsy avelako raha tsy hitako
Ny fanefitry ny fahafatesana
Fa ny fasana efa feno
Toa misy fitsetsefana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vao-avy-ny-maraina | VAO AVY NY MARAINA | Fredy Jaofera | VAO AVY NY MARAINA
Vao avy ny maraina
dia mivavaha aloha
mba izay antenaina
no hipoitra avokoa.
Vao avy ny maraina
dia mifalia ombieny,
esory ny adin-tsaina
nanary teny ho eny.
Vao avy ny maraina,
ataovy izay mba asa
tsy hisy izay taraina
fa maro izay kinasa.
Vao avy ny maraina
dia mazotoa hatrany
mba ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-heloky-ny-rainy-ve- | NY HELOKY NY RAINY VE…? | RRAG | NY HELOKY NY RAINY VE…?
Indrisy ianao ry tany, toa misiasia,
mandrovitra ny zaitra, mihazona ny feriny!
Mandona ny aty fo, dia indray miriaria,
mamotika ny sainy, amin’ny raha tsy teliny!
Ny heloky ny rainy, no namonjanao azy,
ka namoahan-didy, ho helony ihany koa!
Ianao ry tany, tsy niezaka nitady,
ny rariny s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/reraka-ny-fo | RERAKA NY FO... | RRAG | RERAKA NY FO...
Ialao tsiny aminy, fa reraky ny tolona,
leo ny monomonona, sy ny esoeson'olona,
ny fony diso tia, nolavinao fitiavana.
Veloma hono hoe fa, tsy afaka ny hihavana!
Fa aleony koa asitrika, tsy ho tinazanao,
ny fony resin'ny ady, mba leo ny nitalaho.
Ka niondrika nijery, ny tany dia nandona!
Aza ome... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tefeo | TEFEO | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | RAY Ô:
Tefeo ny foko anio hahay hitia Anao
Ahitsio ny lalako, hanaradia Anao
Mba hanaovako indray ireo rehetra sitrakao
Ary ko mba hankafizako ireny didinao
Amboary koa ny lelako hahay hidera Anao
Hihira fiderana, hankalaza Anao
Sokafy re ny vavako, hitory ny hafatrao
Tefeo anio ny molotro hanandratra Anao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravelomanantsoa-jean-flix/ny-any-aminay | Ny any aminay | Ravelomanantsoa Jean Félix | Vohitra kely izay manan-tantara
Tanàna nipoiran'ny fahazazana
Toera-mamabo ny fahatanorana
Ka tsy ho hadinoiko fa ao no hiafarana
Izato tanàna dia manan-tantara
Izay tsara ho fantatry ny dimby amam-para
Ka ingahy Rainitsizafy no andeha ambara
Fa izy no fototr'izato tantara.
Indray andro raha nanasa lamba
Ity t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nangidy-fa-nandramana | NANGIDY FA NANDRAMANA… | RRAG | NANGIDY FA NANDRAMANA…
Taiza ho aiza teny no nisy sakantsakana,
tsy nahafahanao niampita?
Kanefa todinao ny tanjo-nifaharana,
ka tonga hatrany ampita.
Lasa olomanga, manana ny ampy,
fa tsy ilay be lelo kely, maro mpanaratsy.
Tsongoin’olom-bolo, reharehan’ny gasy,
nefa aiza ‘lay nesoiny, fa rovitra fitafy?
Mafy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jeannot-baptiste/fitia-tsy-voahaja | FITIA TSY VOAHAJA | Jeannot Baptiste | Andriandrin'ny foko, andriandrin'ny saiko;
Ny fisianao ry tiana no namelona ny aiko.
Ny fizahan-toetra izay efa nosotroina;
Nampangoraka ny fo, ka tsy azo ho soloina, na inona hanjo.
Ankehitriny anefa toa nivadika ianao;
Nivadi-panekena, nanao ny tsy fanao.
Nanjary fahoriana, izato paradisa;
Naravanao tokoa ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/aingampanahy-fahavaratra | AINGAMPANAHY FAHAVARATRA | Fidy Art Niaina | Ao anaty kotrobaratra
No hanoratako ity kaloko ity
Alin-diavolana mitomara-taratra
Eto amoron'ny farihy
Ny tontolo mikalo fitia
Namorona voady sy teny filamatra
Nifanome toky ny ho doria
Eo ambanin'ny vintana sy lahatra
Toa mamiko loatra
Ny anilanao
Ka na hatrany Ankoatra aza
Tsy hifandao
Fa hiaraka foana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/impiry-ianao- | IMPIRY IANAO ?... | Fredy Jaofera | IMPIRY IANAO ?...
Impiry ianao nifofotra
sy angamba nidofotra
vao tody izay nirina
na azo re ny tiana ?
Impiry ianao nikatsaka,
ny tomany aza latsaka
vao indro nisantarana
ny valin-kasasarana ?
Impiry ianao niroboka
hioty izay voaloboka
vao moramora azo
sy nahenoana vazo ?
Impiry ianao nitolona
mba ho toy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravelomanantsoa-jean-flix/niainga-ity-mpamafy-hamaf | Fiangonana Fo Masin'i Jesoa ao Soamanandray | Ravelomanantsoa Jean Félix | Niainga ity mpamafy hamafy ny voa
Ka nizarazara mba hanasoa
Hanitatra hatrany ny fanjakan'ny Ray
Ka indro fa tojo teto Soamanandray
Dia tonga i mompera Jean Beyzym
Izay niara-niasa tamin-dra-Cathérine
Ireo no voatsinapy nilatsaka tetý
Ka tsy ho adino mandrakizay doria
Ny taona fito amby sivifolo sy valonjato sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tia-anefa-tsy-voajery | Tia anefa tsy voajery | Zay LAFATRA | Iny takariva diavolam-pararano dia iny mitamberina ao anatiko ny tsiaro,
sambatry ny lasa mandrasa ny tadidy ka ho tsiaro manankasina tsy hifangaroharo.
Ny foko manimanina ny fitiavako anao dia mangina miombo-pery.
Na mirehitra mandoro ny any anatiko any dia tsy nisy mba nijery.
Dia eto foana aho,miandry sy mitazan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radimy/lavitra-azy | Lavitra azy | radimy | Any mantsy izay ilay olona iny!
Mba toa ahy koa ve,
Mahatsiaro ny fahiny?
Ireo lasa be dia be,
Moa ve tadidiny iny?
Any izy izay manko!
Misaina ny amiko ihany ve,
Izany koa ka ho fakaiko?
Ny ratsy azy vitako efa be,
Mampanenina ahy tato ho ato!
Raha izay manko no nihezaka aho!
Dia mbola teto ihany izy.
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajema/fitia-adaladala | FITIA ADALADALA | RAJEMA | Tiako ianao ry tiako,
Tiako fa tsy hiriako
Kanefa izay rehetra fahorianao dia fijaliako.
Tiako ianao ry tiana,
Tsy hosandaina na vidiana
Hataoko solom-bodifotsy hanafana ny fandriana,
tiako ianao malala kanefa tsy tiaoko hoanjra,
Izany ve no hoe Fitia adalada?
Tiako hono ianao, tiako tsotr'izao, kanefa tsy hiri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/mbola-miandry | MBOLA MIANDRY | Fidy Art Niaina | (Valin-kira ho an'i R.F.C "TSY HAMPIRAFY" )
Lasa nidify ilay olo-nandalo
Nenjehiko ihany, indrisy, tsy tratra
Ny hany napetrany dia tononkalo
Tononkalo mandona mandratra
Ilay maso mahasarika rehefa banjinina e
Mitopy malefaka mahate ho tia
Raha eo anilako tiako ho fihinaina
Tiako ho tantanana raha miara-dia
Fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanomezantsoa-lcv/mandalo-sy-miserana-ny-fi | Ny fiainana eto an-tany | Fanomezantsoa Lcv | Mandalo sy miserana
Ny fiainana eto an-tany
Ka mbà mailo hatrany
Feno fitapitaka
Sy feno velam-pandrika
Ka sao ianao voafandrika
Aza dia variana
Sy sodokan-drendrarendra
Fa tandremo re ny tena
Dia sahia mijoro
Ho fitaratry ny ampitso
Ho fahazavana hatrany
Handeha am-pahamarinana
Dia ho hitanao ny tambiny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/tsy-haiko | TSY HAIKO! | Hanitr'i NP | Tsy haiko akia ny hangina ka intsony tsy hivetso,
mantsy ianao ry tiana zary lavitra ahy hatreto!
Foana aho nanary dia, mba niezaka hanamaivana,
Ilay hirifirin'ny fitia toa mihoatra noho ny aizana.
Tsy haiko akia ny hamily ka hanandrana hamefy,
Izany eritro mitily noho ny hanina tsy lefy
Indrisy tsy mba mino ny z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tia-anay-ianao-ry-tompo | TIA ANAY IANAO RY TOMPO ! | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Tia anay ianao, ry Tompo,
ilay zoky be nitantana;
satria ny fitiavanao,
no naha toy izao anay.
Na maro aza ireo fandrika,
na be koa ny sakana,
raha eo ambany elatrao,
voaro hatrany rahatrizay.
Tia anay ianao, ry Tompo,
ilay zoky be izay niaro.
Ny fahasoavanao tokoa,
tamin-dalana naleha,
na teo aza ny hakiv... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanomezantsoa-lcv/araho-tsiky | Araho Tsiky | Fanomezantsoa Lcv | Lasalasa ny fisainana
Raha mandinika ny fiainana
Izay toa tsy maintsy hiainana
Lasalasa ny vinany
Raha mandinika hatrany
Izato fiainana eto an-tany
Vao maraina vao mifoha
Dia fitadiavana avy hatrany
No masaka ao an-doha
Tsy mba misy fitoniana
Fa rotoroto lalandava
No mandrakotra ny tava
Ka toa izay hita ira... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/olona-iray | OLONA IRAY | Fredy Jaofera | OLONA IRAY
Olona iray
no manina anao
eny foana,
sady izay
mitady vaovao,
na ahoana ?
Olona iray
no mitepo fitia
tsisy fetra
hifandray,
na aiza ny dia
ka mitsetra.
Olona iray
no ory mangina
ao am-po,
mangaihay
ka aza ampiana
ny manjo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravoson/lamaody-ankehitriny | LAMAODY ANKEHITRINY | RAVOSON | LAMAODY ANKEHITRINY
Mihazakazaka ny fivoarana ara-teknolojika
Ny fandrosoan'ny vahiny no aparitaka
Diniho anefa fa, tokana hatrany ny lasibatra
Dia ny vahoakan'ny kontinanta Afrika
Tsy hay intsony ny hanavaka ny vavy amin'ny lahy
Samy mipataloha rovitra ny volo voataly
Miboridana na eo hanatrehan'ny olom-pady
K... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/malalako | Malalako | Skalove | Tiako ianao ry malalako
Tiako mandram-pahafatiko
Ary tiako toy ny foko
Ka sanatria raha hosoloiko
Tiako ianao ry malala
Tiako satria ianao'lay anjara
Sy safidiko tao anatin'ny maro
Ka tsy hamidy na koa hatakalo
Tiako ianao ry malalako
Tiako satria masoandron'ny fiainako
Ary ilay teninao hoe"TIA" tsy holaviko
... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.