url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/fitia-sahala-ronono-sy-tantely | FITIA SAHALA: Ronono sy Tantely | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Safidy roa mazava no indro eto anilako
Dia ianao sy izy ilay raozy roa tsy foiko
Manao fitia sahala nefa samy silako
Tsy hitako ny ailika fa samy tsara loko
Izy dia tantely nafahana ny vavako
Ianao koa siramamy tsy nahitako ngidy
Raha malahelo aho, orohanao ny tavako
Izy mampifaly manampy ana tsy ho kivy
Ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/dia-ahoana-koa.- | NY FITIAVAKO ANAO | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ny fitiavako anao,
fitia kanto sy madio,
tsy nasiako tambiny;
tsy mba toy ny kilalao,
mandalo toa tadio,
tsy mba kiambinambiny.
Ny fitiavako anao,
niroso moramora,
tsy nampoiziko;
hay tsara kalitao,
tsy nahafotsy rora,
ka tena nankafiziko.
Ny fitiavako anao,
lasa nikambanantsika,
ka tena niorim-paka;
iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/vavaka | VAVAKA | Teboka Telo | Anaka!
Italahoanao Amiko
Ny handingana ny fahoriana
Eto an-tanim-pandalovana...
Saingy, tiako ary mamiko
Raha anananao ny faniriana
Hanary toetram-pahalovana!!!
Aza heverinao akory, hoe
Ny lahatra, azo idifiana;
Ny anjara, azo ovaina dika:
F’ireo zava-mampahory,
Sy ny hazo fijaliana
Dia avy amin'ny asan-tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/ilay-fasanandevo | Ilay fasan'andevo!? | Skalove | Nandeha izahay namonjy famadihana
Mba hiaraka hifaly amin'ny fianakaviana
Tany Ambatondratsira,Ambohimandroso
Ilay fisehoan-javatra nanaitra ny foko
Raha nampidi-bahiny ny andro alakamisy
Dia nifaly avokoa kanefa indrisy
Fa nisy raha nisopatra ny hafalian'ny maro
Tandindona iray mba sendra nandalo
Maraina ny zo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/fahasambarako | Fahasambarako | Skalove | Ny fahasambarako eto an-tany
dia ny eo anilanao ihany
Na mitsiky, na tomany
izaho tsy hiala aminao 'zany
Na misedra fahoriana
ady lava, fampahoriana
Dia ny mba hany hirariana
'lay tokatranom-pifaliana
Ho sambatra sy ho finaritra
raha mbola eto ambany lanitra
Ka manorina mba haharitra
dia hiadan-ko finaritra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/klahatra-sy-anjara | LAHATRA SY ANJARA | Fidy Art Niaina | Ny rivota mahery no nanapaka ilay hazo
Ny renimoka nanaikitra no mamindra tazo
Ny rahona nivory no nanakona ny taratra
Ny tontolo no feno ankaso dia lazaina fa hoe LAHATRA
Ny havandra niraraka no namotika ny voly
Ny vola mahery no mahatonga kolikoly
Ny lasa navalona no tonga tantara
Ny tany no mietraketraka dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dinitra-manjaka/sintaka | SINTAKA | Dinitra Manjaka | Ho Lavitry ny ankaso
Tsy ho azon-tebiteby
Tsy amihan-dranomaso
Tsy ho azon-tabataba
Sintaka mangina
Andositra ny sento
Hiala fijaliana
Handao indray ny eto
Hitoetra ho olondrery
Milamina aok'izany
Nandrava izay mahery
Mpandatsaka tomany
Raha babon'olonkafa
Ka hamafa ny fisiako
Mitso-drano tsy ahatsapa
An... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/hopitalim-pitiavana | HOPITALIM-PITIAVANA | Zay LAFATRA | Maro ireo marary ankehitriny izao,
noho ilay aretina tsy sitram-panafody.
Mino aho fa efa tratran'io koa ianao,
ka nifendrofendro sy tehiantso tody.
Izaho aloha hopitalim-pitiavana!
pitsabo ihany koa ilay radoko ny foko,
ka ho sitraniko avoko anie rahavana,
ny embo-pisetoana hatramin'ny toloko.
Hopitalim-pitiav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/ahy-ianao- | AHY IANAO !!! | Skalove | Nidobodoboka tsy nijanona ny foko
Raha nahita anao, iny eny hanatona ahy
Toa tsaroako tsy misy izany toloko
Fa nisinda ny alahelo, eny, tsisy ahiahy
Tonga teto ianao, tonga teto amiko
Namihin'ahy mafy, nanorok'ahy sahady
Tonga niantoraka mafy teto an-tsandriko
Ilay feonao malefak'iny no nanampy azy
Faly aho ry ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/hosoratako | Hosoratako | Skalove | Hosoratako ny vetsovetsom-poko
Ho hasandratro ary koa kaloiko
Hosoratako mazava tsara
Mba ho fahatsiarovana any afara
Hosoratako ho an'ireo taranako
Sy ny Malagasy rehetra
Hosoratako ny aingam-panahiko
Fa haren-tsaina tsy misy fetra
Hosoratako ao ny tantarako
Sy ny fiainako amin-java-kanto
Mba ho fantatrareo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/embona | Embona!!! | Skalove | Tsy haiko ny hanadino
ilay fitsikinao
Mangatak'aho fihino
raha toa ka sitrakao
Tiako loatra ianao miantoraka
eto an-tratrako eto
Mba hampifaly sy hampioraka
ity foko feno sento!
Ny feonao malefak'iny
no mba tiako ho re matentika
S'ilay tambitamby, teny mamy
fanaonao ahy rehefa vesatra
Tsy hadinoko ireny
ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tanimena-midorehitra | Tanimena midorehitra | Zay LAFATRA | Iny lalana iny dia tanimena midorehitra,
fa toa napahatsiaro ilay singan'olon-tiana.
fifanojoana kisendra tao anatin'ny sakorika,
fa toa napilendalenda ilay foko safononoka .
Tsy hita moa ny atao fa dia mapionom-po,
sy mitahiry afo anaty ilay manifim-piarovana!
ka aiza no tsy ho lavony ilay fo toka-tsafidy.
Tani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/anjarako | "ANJARAKO"! | Skalove | Maro ny zavatra mahafaly ny foko
Ka mba tiako hofantatrao ry malala
Holazaiko aminao fa tsy koboniko
Ho ahy samirery fa ianao 'lay anjara
Ianao ilay anjara safidin'ny foko
Tiako loatra ianao ka tsy hariana
Ary tsy hamidy na koa hosoloiko
Fa hangatahan-tso-drano amin'ny fianakaviana!
Anjarako ianao ka hotazoniko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/jamba-ve- | Jamba ve ? | Skalove | Jamba ve aho sa efa tena tara?
Sa ve hoe"izay tia adala?
F'izay rehetra halehako toa misy anao
Tsy haiko hoe fa maninona ary aho ?
Fa tsy mety mitony, ity foko adaladala
Ny vavako miteny te-hiantso hoe malala
Jamba ve aho sa efa tena tia?
Eny, tia aho, tia, tia ho doria!!
Lasa saina aho raha sendra mahatsiaro
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fan-zone | Fan Zone | raozigasy | Izaho tsy mpijery baolina, fa nanara-drenirano
Niaraka nirona, toy ny isan-tokantrano
Voatariky ny ainga Alefa Barea
Dia lasa koa nivoaka hoe handeha hizaha
Feno Fan Zone moa izay rehetra aleha
Moa mitovy dia daholo ny olona mpandeha
Handeha hijery baolina, hanohana, hampahery
Ny ekipa malagasy, mba tsy hiady i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/mahafinaritra | Mahafinaritra | Skalove | Mahafinaritra ny ambanivolo
Mahafinaritra koa ny tontolo
Ny manodidina voakarakara
Mahafinaritra ery ny tanana
Mahafinaritra tsy misy ohatr'izany
Mampazoto ery ny makany
Ny mponina miraihina
Tsy ambakan'izany ny fianakaviana
Ny rivotra dia madio
No sady malefaka fitsoka
Ka ravo ny fiainako anio
Fa afaka havi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/aza-kivy | Aza kivy!! | Skalove | Aza kivy re ianao
ratoa ka toy izao
Ny zavatra manjo
izay mankarary ny fo
Na sahirana mitady
mba hitsinjovanao ny ho avy
Dia aza kivy izany
fa mahereza hatrany
Aza manahy raha kamboty
na salama na koa farofy
Dia tsarovy izao
fa ny tompo tsy mba mandao
Mahereza hatrany hatrany
aza kivy na tomany
Ka na mafy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/miaraka-hono-isika | Miaraka hono isika? | Zay LAFATRA | Nanan'elatra indray ny teny,
ka nibovolony sy ny sisa!
Lasa nipoitra teny ho eny,
fa miaraka hono isika.
Nanako hatraiza hatraiza,
fa miaraka hono izaho sy ianao!
ny foko aza tsy haiko hoe hitempo aiza,
fa lasa midoboka aminanao.
Isika anefa dia pinamana,
fa tsy pifakatia velively!
Anefa tsy haiko nosakanana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/mosalamana-tena-mpanaraka-ny-diani-kristy- | MOSALAMANA, TENA MPANARAKA NY DIAN’I KRISTY … | AbouNusrayni | MOSALAMANA, TENA MPANARAKA NY DIAN’I KRISTY …
Marina tokoa f’izay tsy manaraka an’i Jesôsy dia tena ho very
Tsy misy làlana mankany amin’ny Tompo raha tsy avy aminy irery
Aza soandriana anefa ianareo manarakefa, be tsianjery
Alalino tsara ny finoana ary aoka ny saina tsy ho tery
Tsy avy hanova ny lalàna aho hoy Je... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ilay-teny-fikasana- | ILAY TENY FIKASANA … | AbouNusrayni | ILAY TENY FIKASANA …
Lava ihany izay efa nombàna
Niaka-nidina nitety tanàna
Rehefa mafy ny hanika mazàna
Mandinindinika ny antony niaingàna
Ireo dia natao raha fakafakàna
Misy tsoa-kevitra tsy azo ialàna
Raha izay heriko no mba itsaràna
Dia malemy, feno fahabangàna
Ny finoako anefa tsy tàna
Mahatoky ilay tany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/mba-tefena-koa-indraindray | MBA TEFENA KOA INDRAINDRAY… | AbouNusrayni | MBA TEFENA KOA INDRAINDRAY…
Ny vy malemy kapoka dia ratsiratsy endrika
Ary ny zanaka tiana tsy itsitsiana rotsa-kazo
Ny zezika maimbo no antsoina hoe mendrika
Satria ny legioma tsy misy azy dia mora malazo.
Izay miboboka siramamy ho voan’ny diabeta
Toa izany koa ny mpihanta vonton-tsafosafo
Ny mangidy no mampata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tsy-mora-fa-sitrako | TSY MORA, FA SITRAKO… | AbouNusrayni | TSY MORA, FA SITRAKO…
Mifamaofao mitomandavana ny sedra rehefa mino
Indraindray toa mitambesatra mihatra aman'aina
Zary mahasavolaina nefa kosa dia ankino
ho tantanin'ilay Tompo izay tsy ho lefitry ny saina
Ireo fitsipika mamehy ny fitondranao tena
Tsy ahafahanao miliba na koa hanala sy hiria
Manaikitra ao anaty... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ho-barea-gasy-zato-isan-jato | Ho Barea Gasy zato isan-jato | AbouNusrayni | Ho Barea Gasy zato isan-jato
Raha fahiny tsy nahovoka ny Barea
Tsy dia nahagaga fa ratsy sakafo
Rehefa hita fa tena tsy ho afa-bela
Nampidiran’ny vazaha mpamelona afo.
Koa rah’ ankehitriny isika mirehareha
Hoe mandresy hatrany ary toa tsy miato
Ireo taizam-bazaha no tena nampandeha.
Dia ireo voaofana tany dilam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tarazom-pahaleovan-tena | Tarazom-pahaleovan-tena | AbouNusrayni | Tarazom-pahaleovan-tena
Ireo olona nozanahina rehefa mby novotsorina dia niborioka aoka izany
Soavaly nogejaina nahatapaka kofehy ka mirintondrintom-pahatany
Noheverin’izy ireo manko fa ny fahaleovan-tena dia fahalalahana sesilany
Ka hoe tsy ilaina fehifehy intsony izay rehetra atao fa izay tiany ihany
Dia nibana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/mba-ho-nibata-fandresena | MBA HO NIBATA FANDRESENA... | AbouNusrayni | MBA HO NIBATA FANDRESENA...
Hadinonao ve ny nahatonga anao mifehy,
Mihafy mafy tsy misotro tsy mihinana?
Toa varian-dresaka sy torantoran-kehy
Mandany lera no atao mampanahirana!
Angaha ianao tsy manam-paniriana intsony?
Efa sambatra tsy misy maha ory?
Tsy manan-javatra iangaviana Ilay ao Ambony?
Toa tsy rototr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ny-hakantonny-taniko | Ny hakanton’ny taniko | AbouNusrayni | Ny hakanton’ny taniko
Vao misandratra ny andro
Manjopiaka ny hazavana
Manavatsava ny tontolo ka mamohafoha fanahy hazoto hiatrika lahasa
Irony voninkazo misy laingo
Sariaka tsara mahatamana
Rehefa soa kolokolo dia mandrisika ny saina hahatontosa izay kinasa
Ny tsio-drivotra sy ny ando
Ny hatsiaka, ny hafanana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hafatra-moana | HAFATRA MOANA | Fredy Jaofera | HAFATRA MOANA
Ny ranomaso
dia hafatra moana
mitory fahoriana
ka kotsa ny maso
fa asesiny foana
ny fanaratsiana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/fantatro...-nefa | FANTATRO... NEFA... | Fidy Art Niaina | Fantaro hatrizay
Fa tia ahy iano
Miezaka ny hisarika ahy
Amin'izato fihetsikao
Nefa aoka tsy ho tsiniko
Ny handà izany
Tiako ianao mba hofihiniko
Nefa aoka ihany
Fantatro ny alahelo
Ao am-po mandratra anao
Tsy hanin-droa tsy hanin-telo
Fa hotiaviko ihany ianao
Nefa aoka tsy ho tsiniko
Ny hanada izany
Fa r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/anjely | ANJELY | Fidy Art Niaina | Tena manja leitsy raha izany sipa izany
Ireny angamba ilay "Anjely latsaka an-tany"
Oay! Izany ve moa tsy devoly
Loza! aiza no misy Baiboly? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tsy-resabe-no-ilaina | TSY RESABE NO ILAINA… | AbouNusrayni | TSY RESABE NO ILAINA…FA TSARA HAZAVA KOA NY SAINA!
Ny diako lavitr’ezaka mandalo saha maina
Itetezan-karaobato may an-tanety lava
Voizin-tsaina mafy orin’efa zatra nosedraina
Ilofosako mangina ny ahy ny hatsembohan-tava.
Tsy takatra mpitazana be resaka petsaina
Foto-bozaka tsy hitan’izay tsy nanavatsava
Reniran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/nametraka-izy | NAMETRAKA IZY… | AbouNusrayni | HOMMAGE EN MALAGASY A ADAM YACHINE, LE GRAND PIONNIER.
NAMETRAKA IZY…
Anisan’ireo zava-nahavariana sy nampiaiky ;
Ary koa manaporofo fitiava-nama-tena matotra.
Ny nandreseny lahatra tsy in-droa tsy indraiky;
Ireo namany karana mba hisokatra… , na dia sarotra.
Tsy moramora ny namaky làlana toa izany;
Ka nampahazo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/io-soratra-io | IO SORATRA IO | Joda Razakasoa | Matoa ianao poeta !
matoa ianao eto anivon'izao tontolo izao,
dia misy hetaheta
tiana ho vahana amin'ny anjara taninao,
matoa ianao nohariana !
ka arafitra hilomano anatin'ny fanahy,
dia misy vinavina
mendrika apetraka, lavitra ahiahy!
matoa ianao mikalo !
mikalo mangina ravahim-peo-kira,
dia misy fahavalo
r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/aleo-izaho-hangina | ALEO IZAHO HANGINA | Joda Razakasoa | ALEO IZAHO HANGINA...
Aleo izaho hangina,
Hampiakatra ny soratra hifarana amin'izay!
Ny amintsika mantsy...tantara iray
Efa fantam-piafarana fony niandoha,
Ny amintsika mantsy...aretim-po
Niniana novolena handavaka ny tany!
Aleo izaho hangina,tsy hahatsiaro izany,
Aleo izaho hangina,
Tsy higoka intsony ny fiad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ianao-sy-ny-vata-fahita-lavitra | IANAO SY NY VATA FAHITA LAVITRA… | AbouNusrayni | IANAO SY NY VATA FAHITA LAVITRA…
Inty misy endri-javatra fanoharana kely
Nomen'ilay mpanabe mahavariana ahy indrindra***(Pr Trq)
Isika olombelona hoy izy tia miafina sy miery
Dia mihevitry ny tsy misy hahita na dia ratsy famindra.
Ny televiziona indraindray mandefa zava-tsy mamely;
Dia mijery eo ihany isika, vari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/mpino-mila-beazina | Mpino mila beazina… | AbouNusrayni | Mpino mila beazina…
Moa tsy lehibe isika izao // Tsy toy ny taloha intsony
Tsy irony mpiady kilalao // Fa tompona andraikitra ambony.
Efa vory saina tsara // Mahafantatra ny mety
Tsy mila atoro sy ambara // Vao afaka tsy hihoa-pefy .
Koa sarihina ny saina // Fa misy rivo-dratsy mihanaka
sy fanarenana ilaina // m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/matory-loatra | MATORY LOATRA… | AbouNusrayni | MATORY LOATRA…
Indray andro aho tara, tany anaty fiaram-bahoaka
Nandalo ny kianjan’i Maki, manoloana ny vavahady
Efa am-periny ny fivavahana, izaho mbola tsy tafavoaka
Ry zareo efa miara-mirohotra miankohoka sahady
Dia nisy nanaitra ny tao anaty fiara tamin’ny feo avo
Jerenareo ange ny silamo fa miara-mitsingolok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ilay-farany | ILAY FARANY… | AbouNusrayni | ILAY FARANY…
Hadinoko matetika fa hay moa ilay fara-fofonaiko
dia ho avy hanampoka ahy amin'ny fotoana tsy ilaiko
Tsy izay tiako no atao fa ny Tompo no mibaiko
K'efa voasoratra fa hilaozako ireo rehetra nolalaiko
Na ny vady na ny zanaka, ny reniko sy raiko
Tsy misy ahy akory ireny na tsy hanaiky aza ny saiko
Nam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ny-fijoroana-zava-dehibe- | Ny fijoroana, zava-dehibe … | AbouNusrayni | Ny fijoroana (al istiqam), zava-dehibe …
Lehibe ny fanantenako raha ny amin’ny fitiavany ahy, sesehena
Na dia tsy nataony maro eo am-pelatanako aza ny vola, sy harena
Toa nahatsapa hatrany fa misy mpitantana, tsy mba mahonena
Mitolefika ihany indraindray nefa ahirany ny masoko, tsy jambena.
Jereo hatrany hoy izy i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ilay-tantaran-tsika-roa | Ilay Tantaran-tsika roa | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Voasoratra ho tantara
Ilay fitiavana taloha
Izay tsy hadino ka tsy miala
Fa tafalatsaka ao am-po
Asa raha tsaroanao
Fony isika niara-dia
Dia toa tsy hifandao
Fa tena nifankatia
Raha mihaona vao maraina
Dia tarihina ny tafatafa
Ireo azo ambara tanisaina
Koa tsy mba nisy nihafahafa
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga-ity-ny-fararano | TONGA ITY NY FARARANO | Fredy Jaofera | TONGA ITY NY FARARANO
Tonga ity ny fararano,
tonga ity ny hafanana,
satry ery ny hilomano
no nofy iray tsy tana.
Tonga ity ny fararano,
avy ity ny ala sasatra :
eny ho eny re tazano
fa hafaliana fatratra.
Tonga ity ny fararano,
avy ity ny famokarana,
topazo fa tsy angano
'zay asa nisasarana.
Tonga ity ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-rani-jesoa-kristy-tompo | NY RÀN'I JESOA KRISTY TOMPO | Rasamindrakotroka Andry Tiana | I Jesoa Kristy, Zanaka tokan'ny Ray;
Ttnga teto an-tany hamonjy ny mpanota.
Nanetry tena, nidina nateraka indray,
an-tranon'omby, izay efa tena tonta.
I Jesoa Kristy, nanao fahagagana maro;
namonjena hatrany ireo tena sahirana.
Niaro, nampiseho, nampahatsiaro,
fitiavan-tsisy fetra feno tsiky sady mirana.
I Jeso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ho-ani-dada | Ho an'i dada | Ny Ela Nihetezana | Mifalia ry dada a, fa fetinao androany,
Fety iray mandalo, malaza eran-tany!
Mifalia ry dada a, mifalia tokoa,
Aborahy androany, ireo fihetseham-po!
Miravoa mihitsy, asehoy aminy fihetsika,
Fa hatramin'izay... toa hadino ianao matetika!
Mifalia ry dada a, mihobia ny tompo,
Fa fanomezan-tsoa avy aminy ity ianao m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/tena-tiako-ianao | Tena Tiako Ianao | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Ny fahitako anao
Tovovavy tena soa
No nandrisika ahy izao
Hanambara ny ato am-po
Tiako ianao raha tsorina ny tiako ambara
Tena tiako lotra ka tsy haiko hazavaina
Ny azoko lazaina fotsiny dia zao
Tiako lavitra mihoatra ny tenako ianao
Ambarako eto aloha
Raha ny amintsika roa
Fa Fitia tena madio
No hiainantsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/miara-mirona- | MIARA-MIRONA ! | AbouNusrayni | Ireo ady mafy sy ireo ezaka;
ireo zioga mitambesatra;
Toa hadino avokoa;
Fa mandresy izao aloha.
Ireo efa nitofezaka;
ireo kivy sy ireo ketraka;
Taitra tampoka nifoha;
Tena mitrak’izao ny loha.
Dia mibitaka sy dedaka;
Ny asa saina rhetra niendaka;
Ravoravo ery ny fo;
Mahatsiaro sambatra tokoa.
Efa voarakitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teny-an-dalanny-fitia | TENY AN-DALAN'NY FITIA | Fredy Jaofera | TENY AN-DALAN'NY FITIA
Teny an-dalan'ny fitia
no mba nifanenana
ka nandrafitra ny dia
hanam-piandohana.
Teny an-dalan'ny fitia
no nifankahazoana
ka nanova ilay valiha
ho lavi-pisentoana.
Teny an-dalan'ny fitia
no nifankatiavana
ka tsy foiko, matokia,
sy tonga ny avana.
Teny an-dalan'ny fitia
no nitambaran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/inona-ary-izany-dobok | Inona ary izany ? | raozigasy | Inona ary izany ?
Dobok’onja madinika, arahim-peon-drano
Tsy tantara akory io , na arira na angano
Tsy hahazoam-bokatra, raha tsy am-pitingitinginana
Tsy hahenoam-peo raha tsy am-pahanginana
Tsiambararoa ary tsy azo zaraina
Manosika foana rehefa maraina
Handaniana fotoana, tsy misy mitsitsy
Hahitana tsirony, na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/dieny-izao | DIENY IZAO | Fidy Art Niaina | Dieny izao ry foko dia efa mionona
Dieny izao ilay afo mireda dia ezaho vonoina
Fa ndrao hivadiany ianao rahampitso ka tena ho voadona
Mbola tsy azo hitokisana izy iny ka aleo soloina
Fa mbola tsy latsa-paka am-pony raha ny fitiavany
Ny lasany, hono, tsy mety voafafa fa raiki-tadidy
Mbola ny anaran'ilay olon-tian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/hosodoko | hosodoko | Jayah Razafi | Izaho ilay mpihosodoko,
Mpaka sary anao an-tsaina
Mahita anao ny foko
Na antoandro, na maraina,
Indrindra ny alina mangina
Dia ianao mameno nofy
Manondraka ahy fifaliana
Hanalavitra izay rofy
Fa mamihina anao an-tsaina aho
Mamorona paozy ho anao
Sy mampiakanjo an-tsaina
Toy izao indray akia atao
Iroa lamba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aingam-po/afoiko | Afoiko | Ny aingam-po | Afoiko ianao malala an, afoiko avelako any,
Ndehana dia aza mierika mijery akory ny amiko,
Monja teny mamiko sisa ataovy an-tsaina...
Dia ataovy toy ny hoe, tantara ny amintsika...
Sary indray mipika ka resin'ny fotoana,
Moa koa zava-poana e! Ka sarotra inoana hoe mandrakizay doria.
Ny tia mifankatia ihany no mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/mba-ho-adidy-farany | MBA HO ADIDY FARANY | Fidy Art Niaina | Oh! Izaho mba nitia, nanaja zanak'olona
NIsy sedra maro; izaho tena nitolona
Voaravako daholo ny sakana rehetra teo
Ry bebe indray no namalan-kira tampotampoka eo
Didy jadona ny eto; tsy afaka mifampidinika
Mandidy ny lehibe ka mba ho aiza izahay madinika?
Tsy afaka hiteny aho fa kosa hitroatra anaty
Mba ho adid... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ialahy-tsy-tiany-hono-i | Ialahy | raozigasy | Ialahy
Tsy tiany hono ialahy
Fa ny hiran ialahy, mbola hira kaiamba, sy « discomad »
Mandihy « slow » sy mandihy « blues » no mbola fomba fiady
Fikoty taloha, efa lany andro, sy efa fahiny
Ka any an-kafa hono mitady ny mety fa dia aza tsiny
Tsy tiany hono ialahy
Fa ny jaikan’ialahy, mbola lobakabe, mihidy ny ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/mahatokia | MAHATOKIA | Fidy Art Niaina | Malala a! Efa firifiry moa no tovovavy niserana teto?
Efa firifiry koa ampela nitory fitia tamiko?
Fa tsy nampiraika izy ireny f'ianao ihany no mamiko
Ianao no nofidiko hotiaviko mandrakizay
Fa raha izy indray?
Efa nofafako hatramin'ny laharany tao anatin'ny finday
Porofoiko eto anio fa tena tiako ianao
Manaja a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/nafeninao-ny-marinatami | Nafeninao ny marina,'tami | Ny Ela Nihetezana | Nafeninao ny marina,'tamin'ny fifandraisantsika,
Dia lainga tsy hay takarina, no ataonao fikafika ,
Mba hamitahana ahy !
Fa mantsy ianao ka sahy , handrava finamanana!
hanary fihavanana ;
Tokoa tokoa mihitsy kay, reo tsahon'olom-bitsy !
zay nanaratsy anao !
noheveriko fa ireny ...fanaratsiana atao
hanaratsiana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/omeg-ratojo/nenina | NENINA | Omegà Ratojo | NENINA
Kalokalo ivaiva
Kalo mahonena sady kalon’olon-dresy
Tao anaty takariva,
No hany kalokalo niarahanay niventy
Sarim-pony sy ny foko
Norohizan-jana-tsipika hitambatra ho iray,
Natao sary peta-toko …
No hany mba nandravaka ny pejy vitanay
Ka injao badenina
Ato anaty zavozavon’ny ririnina mahangoly
Ny erit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/eto-ampototry-ny-peniko | ETO AMPOTOTRY NY PENIKO | Fidy Art Niaina | Eto ampototry ny peniko no amborahako alahelo.
Itomaniako samirery rehefa alina toy izao
Eny! Zovy no hitia dia iza koa no hiantra?
Aleo hitia mangina ity foko tia anao
Ranomaso nirotsaka nanakotsa ny tavako
Ilay tiako indrindra no nampitomany
Zaho ve hanery azy ho tia ahy?
Fa hanjohy azy aho; hiaritra eny ihany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/tiako-ianao | Tiako ianao | Ny Ela Nihetezana | Mavesatra ny vavako hiteny hoe "tiako ianao"
Kanefa raha ny foko, mandidy hoe "ambarao"
Ny feony fisainako no toa mampiahotra ahy
Mahatonga horohoro, sy mahatonga ahy tsy ho sahy!
Dia eto aho miaritra mitia anao mangina
Isan'andro izao, mikasa sy maminavina!
Miady saina foana hoe hilaza ve sa tsia,
Mamerimberin-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/atsaharo | Atsaharo | Nalison Randrianaivo | Atsaharo
Saino...
Malala a
Nahoana ianao no manao toy izao
Moa ve mba fantatrao? Sa
Inianao tsy ho fantatra koa
Fa fahotana ity ataonao
Fa tsy hivakianao loha?
Impiry moa izay, efa niteny aho
Fa ianao no tsy nandray
Tsy mba nihaino ahy akory
Na dia iray minitra fotsiny aza
Fa maika ery halana zaza
Ny tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aingam-po/ny-tononkaloko | Ny tononkaloko | Ny aingam-po | Ny tononkaloko nataoko mba hiventso ny fiainako,
Hamoaka ny hafaliako, hamoaka ny tarainako,
Hamefy ny fisainako, hamefy ny ato am-poko,
Hisedra ny adim-piainana raha toa aho ka toloko.
Ny tononkaloko no singa hanehoako ny fitiavako,
Hataoko tononkira tsy ho afaka ato am-bavako,
Handrotsirotsy anao anatin’ny ali... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/noho-ny-aminao | Noho ny AMINAO | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Noho ny aminao tsy maintsy aho hoe mangiana
Noho ny aminao dia ts'isy fifaliana
Ny aminao ihany no mbola iaretako
Hangiana aho tsy hiteny ka hitady hery
Fa kely sy malemy mihoatra ny mahery
Resin'ny talaho ka mahay mamela heloka
Satria ts'isy lavorary fa samy mbola meloka
Noho ny aminao ts'maintsy miaritra ah
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/namako-ianao | Namako Ianao | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Namako ianao eny namako
Ka tsy ho adinoko tsy akory
Mandravak 'lay androm-piainako
Nampifaly ahy raha sendra ory
Namako ianao tsy ho adinoiko
Eny na ireo vitantsiaka hatr'izay
Niara-nifaly, nitoloko
Niara-nisedra izay mahamay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ny-poeta | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/izaho-mbola-ho-namanao- | Izaho mbola ho namanao ... | Ny Ela Nihetezana | Nafeninao ny marina,'tamin'ny fifandraisantsika,
Dia lainga tsy hay takarina, no ataonao fikafika ,
Mba hamitahana ahy !
Fa mantsy ianao ka sahy , handrava finamanana!
hanary fihavanana ;
Tokoa tokoa mihitsy kay, reo tsahon'olom-bitsy !
zay nanaratsy anao !
noheveriko fa ireny ...fanaratsiana atao
hanaratsiana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dadanao-izany-...-fa-tsy-dadanay | Dadanao izany ... fa tsy dadanay | raozigasy | Dadanao izany … fa tsy dadanay
Ny dada hoy ianao
Mikapoka, mibedy,masiaka,manafay
Ny dadanao izany, fa tsy ny dadanay
Ny dada hoy ianao
Misotro toaka lava, tsy mody indraindray
Ny dadanao izany, fa tsy ny dadanay
Ny dada hoy ianao
Tsy manao raharaha, ny sakafo tsy mahay
Ny dadanao izany fa tsy ny dadanay
Ny d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/reny | Reny | raozigasy | Reny
Dikan-teny malalaka « Être mère » nosoratan’Iantely Rakotovololomahefa
Reny
Ilay vatana niova, nitondra vohoka sy taiza
Ilay asa saina sy mangina, mandinika ny hoe ho aiza
Ilay tsy mihafa koa miteny, sao any aorina hanenenana
Mamakafaka am-po lalina, mba tsy hisy zavatra hiverenana
Reny
Hasambarana tsy tak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/tiako-raha-ianao | tiako raha ianao | cedric tolojanahary | Tiako raha ianao...
-tiako raha ianao
No ho ravaky ny lalako.
-ho raoziko maraina
-tiako raha ianao
No hiara-dalana amiko
-n'aiza n'aiza haleha
Na mitoetra na mandeha
-tiako raha ianao
No ho andry sy antenaiko
-na inona na inona manjo
-hizarako ny hafaliako
Hilazako ny ato ampo
-rehefa takariva
Miaraka mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/tiako-enao | Tiako Enao | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Tiako ianao tena tiako
Eny tiako ho malalako,
Efa ianao no nofidiko,
Mba hitantana ny tanako.
Tiako ianao tsy hoadinoiko,
Tiako ianao aza manahy,
Tiako ianao tsy hosoloiko
Tiako ianao satria tia ahy.
N'iza n'iza no haneso
Na hanaratsy na tsy tia;
Fa ianao ny ahy no ekeko
Ny andao anao dia sanatria.
Raha ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tsiahy-sy-ny-ho-avy | NY OMALY SY NY AMPITSO ... | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mahatsiaro, ireo andro fahiny,
fony mbola maitso volo;
nihazakaza-tsy nitsahatra,
nikaroka izay mety kokoa.
Be ny fanomezan-tsiny,
naka mora, anivon'ny tontolo,
niezaka, tsy nahalala sasatra,
hanatrarana izay mahasoa.
Nananosarotra ny lalana;
niatri-pahasahiranana maro;
ny miankaviavia, ny miankavanana;
ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fetin-ny-ray-2019 | Fetin ny ray 2019 | raozigasy | Izaho : (miresaka amin’ny sarin-draiko)
Dada a !
Fetin’ny ray androany dia niarahaba ahy ny zanako
Dia niteny hoe « nisy fanomezana nomaniko
Dia indro omeko anao, ry Dada tiako mamiko »
Dia nanontany ahy izy, sady noraisiny ny tanako
Zanako : (miresaka amiko sady manontany)
Dada a !
Tamin’ny mbola velona ve ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ontsy/eisy-aho-e- | Eisy aho e ! | ontsy | Eisy aho e, Ramalagasy ! malagasy tsy andaharana
Toetra ratsy sy mamofona dia hazonina, amaharana
'Tony fombanao tia kely sy mpitady tombontsoa
Ianao no 'lay katity, fa tsy karana na sinoa.
Vao namboarina ny làlana, lalambe haingon-tanàna
Dia tsy menatra ianao fa nijery izay ho alaina
Ka ny vatokely, fasika mba n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-misy-mahavita-tena | Tsy misy mahavita tena | Nalison Randrianaivo | Tsy misy mahavita tena
Sahy milaza ianao fa mahavita tena?
Tsy mba mila fanampiana akory
Eny e, anananao tokoa aloha ny harena
Dia mihevitra ianao fa tsy mba ho ory?
Ka miliba sy manjaka ny herin'ny vola
Mibaiko fotsiny ianao dia mampiasa
Satria mahatoky tena fa tsy mba ho sola
Dia ho lavorary avokoa izay kinas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimanantsoa-lantoson-andry-eric/voady | Voady | Razafimanantsoa Lantoson Andry Eric | ♥♥♥«voady»♥♥♥
Ny voady izay lazaina
Dia vokatry ny fo
Sy masaka ao an-tsaina
Ilay nifaneken'olon-droa
Ny fitiavana ombieny ombieny
Fa tsy hifandratra
No atao am-betinteny
Fa izay no mahafinaritra
Dia samy milaza ny am-po
Fa izaho sy ianao hiara-dia
Ka samy manambara izany tokoa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-asa-fitsaboana- | NY ASA FITSABOANA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ny asa fitsaboana, ilàna olon-tena malina;
na amin'ny antoandro, na amin'ny alina.
Mila fahavononana, amin'ny fotoana rehetra;
mandrisika hianatra, ka aina no fetra.
Ny asa fitsaboana, asa iray mila fitoniana;
fanajana ny marary, fa tsy fanambaniana,
amin'ny fotoana rehetra, izay hifaneraserana,
na an-toeram-pit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ny-fanevako | Ny fanevako | Ny Ela Nihetezana | Ifaliako ny ahy, fa vakoka sy harena
Asandratro ho ambony, ny fotsy maitso mena,
Ifaliako ny ahy, fa tiako ny fanevako,
Saina malagasy, no foto-dreharehako!
Ny loko mena manko, manambara rindrin'ela
Nandoko tamin'izany, ny rindrin-trano teto
Ka rehefa foana ireny, ny saina no tavela
Ho fototra ijoroako, sy rakit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry/suvenir | S♥uvenir | Andry | Tononkalo hirahira
Manambara S♥uvenir
No atolotro ho anao
Hoy ilay tianao
S♥uvenir tsy mba tsara
No atolotro ho ano
Nefa kosa manambara
Ny fitiavako anao
Tiko ianao fa tsy mba afoiko
Ry malala izay nokaloiko
Ka tsy mba afoiko na ariako
Fa izy no faniriako
Raha tojo alahelo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/ny-jiroko-lany | Ny jiroko, lany? | Antsa tononkalo.R | Nosoratana tao anatin'ny haizina ho an' i Riankanto ny fitia
Ny jiroko,lany?
I
Ry kalon-jorery mikomy sy mioko
Hontsa, onena sy mamelovelo. . .
Toa miantso toreo,toa miantso toloko !
Mamendrofendro ity fo malahelo ?
Oh Rivodrivotra kely misary tadio,
manaitra ny vovoka mandry amin-tany
Ny foko mahatsinjo no di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tham-tahirinavalona-haingotiana-annie-malicia/naleoko-ianao-tsy-fantatro | NALEOKO IANAO TSY FANTATRO | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Naleoko ianao tsy fantatro
Toy izay hitia fa hosoka
Alahelo izao no tsapako
Ranomaso mifanolotra
Naleoko aho tsy nitia
Raha mba fantatro ny hoaviko
Fa toa mpihatsaravelatsihy
Hay lay olona notiaviko
Ka dia reraka ilay foko
Nolalaovina ho feta
Hay ianao ka mana-tompo
Indrisy aho ity fa manjoretra
Tena fay ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/misy-ady | Misy ady | Jean NARIVONY | Misy ady tsy mba mora,
Ry tanora,
Izay mpisovoka mangina,
Ka mahina,
Fahavalo makadiry,
No mikiry,
Mba handavo sy hamely,
Fa tsy kely.
Ts'isy bingona maneno,
Izay mba heno,
Ts'isy basy sy tafondro,
Mifanondro,
Tsy mba misy izay akora,
Ry tanora,
Fa ny fahavalo mantsy,
Tsy mihantsy.
Nefa re ny sovok'ady,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/ao-am-ponny-mahalala | "AO AM-PON'NY MAHALALA" | Antsa tononkalo.R | "AO AM-PON'NY MAHALALA"
Ampy ve ny vita izay niarahana niaina,
raha hifarana ny diako,
Ary misy mba tsaroana tamin'ny dindon'ny fisiako?
Ampy ve ny teny izay natsidiko aminao?
-Tamin'ny salasalan'ora,
Teny antsefatsefany eny,
Tamin'ny resaka natao...
Nilazako ombieny ombieny :
Foana foana "TIAKO IANAO" !
(Rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/rakotra-ala-hono-fahiny-g | MANDROSO MANKAIZA | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Rakotra ala hono fahiny Gasikara
Tena soa tokoa, kanto sady tsara
Be mpitsiritra vahiny sy mpandalo
Tany tena tsara ka lasa be fahavalo
Tena mampiavaka azy ny harena sarobidy
Ireo zava-maniry sy ireo karazam-biby
Sokatra sy gidro ary volamena
Indrisy ts'isy intsony fa namidy ny an'ny tena
Maro dia maro ny kolon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/androm-pahatsiarovana | Androm-pahatsiarovana... | Ny Ela Nihetezana | Androm-pahatsiarovana...
Lasa ...sisa fahatsiarovana
Ilay akanim-pahazazana
Ravarava tsy hita soritra
Ilay tanàna nidolana
Toa tsy misy hita intsony
Reo mpitafany fahiny
Tsisy afaka hantsoiny
Fa zay tonga, mpivahiny
Nefa io ilay taloha,
Feno hehy sy koràna
Tsy mba nanam-paharoa
Fa tanàna ,naha-tamàna
Raha ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iharilanto-patrick-andriamangatiana/vakivakim-piainana- | VAKIVAKIM-PIAINANA
"(. | Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA | VAKIVAKIM-PIAINANA
"(...) Hamavoina ny fahendren'ny malahelo ary ny teniny tsy mba henoina."
"MPITORITENY", IX, 16
Tsy mba mety ho tantara ny fiainako. Tsotra loatra manko. Tsotra ka tsy mahasarika ny fifantohana. Tsotra ka vao miandoha dia fanta-piafarana. Tsy mba tsara ho tantaraina. Ny tantara manko natao hahalia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/misaotra-anao-ry-tompo | MISAOTRA ANAO RY TOMPO! | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Raha vao mifoha iny aho isa-maraina,
mahita ny tana-masoandro miposaka;
manavatsava amim-pahasahiana,
ato an’efitry ny trano natoriana.
Mivimbina arahaba entina ho zaraina;
mitondra herijika maro lafy hatosaka.
Ny singa voalohany tonga ao an-tsaina,
dia ny mitsaoka an'i JesoaTompo;
niaro sy nitahy nandritra iny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/fanantenana | FANANTENANA | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Niandry ny ampitso ka indro tsy niova
Ny fotoampiavin'ny volana ambony
Mitsinjo ny tany malalaka ambany
Manaitra ny mason'ny mbola matory
Izaho irery sisa no hany miandrandra
Ny fahafenoany malaky mba hitsinjo
Eo ampototry ny hazo izay fiantorahako
Amin'ny karazan-javatra tahak'itony
Toa mora malazo lay raozy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ireny-sarintsika-zay-nala | Ireny sarintsika zay nala | Ny Ela Nihetezana | Ireny sarintsika zay nalaina
Dia nangoningoniko hosasaina
Fa ireo no hany sisa tsiaro
Nivetsoako anao efa andro maro
Fa nilaozanao ka tokan-tena
Nanjoretra teo ,ka nahonena
Fa ireny sary no mba namako
Sisa mba fihiniko ao antanako
Mafy lay irery ,nefa indrisy
Zara koa reo sary aza nisy
Tsy nataoko sedram-paha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/raha-izina-anio-re-no-sis | Raha izina anio re no sis | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Raha aizina anio re no sisa mamonto
Mamonto ny foko,mirafitra ho fiainana
Fiainam-pitiavan'ny foko mivonto
Mivonton'ny onja izay sarotra iainana
Raha aizina sisa no hany mba tazana
Tazako ety amin'ny tanin'ny velona,
Velona hitia,hitia tsy ho ngazana
Ngazan'iretsy mpandiso fitia
Raha aloka sisa no tazako anio
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/ry-lay-notiaviko | RY LAY NOTIAVIKO | Lova miar'shu | Vao nifankatia isika roa dia nosembanan-drahona ny fiarahantsika
Indrisy tampoka teo tokoa nody ranomaso lay fifaliantsika
Nodimandry mantsy ianao ka lasana nandao ny tany,
Nanjary sanganehana aho sady latsa-tomany.
Nantenaiko ho toy ny paradisa ny fifankatiavantsika
Kinanjo nafoy tao anaty iray minitra
Manoroka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/hafatro-farany | hafatro farany | cedric tolojanahary | Hafatro farany...
-hafatro farany
-ho anao ry malalako
-nahilikao ny anjaran'ity
-fo adaladalako
-nomenao olon-kafa
-ny anjara tandrify ahy
-toa sary tsy ho voafafa
-tandindin'ireo tsiahy
-manembona ny vita
-sy ireo nataon-tsika hatr'izay
-anatrin'ny sisa
-f'izaho efa fay
-ka ho kosehako avy hatrany
-anat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/noheveriko | NOHEVERIKO | Fidy Art Niaina | Hazavana nandalo nantenaiko hitsilo
Tsy naharitra fa nandalo dia lasa
Raozy mba tiako fa hay misy tsilo
Antsy maranitra, indrisy, nandrasa
Noheveriko ho rano hanamando ny tenda
Ka dia nandramako, indrisy, namono
Ny lokony fotsy mampilendalenda
Hay ito poizina fa tsy ronono
Noheveriko ho ondry malemy fanahy
Hay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ilay-masoandroko-nangarik | Ilay masoandroko nangarik | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Ilay masoandroko nangarika; takona sy saika ts'hita
Nandalovanao ry tiana indro indray fa mibaliaka
Nitady ny malalako aho ka tojo anao ry tena tiako
Ny hiara-dalana aminao efa ela no niriako
Ny tanàna taloha no nofehezin'ny ROI
Ka ny foko omeko anao anjakao fa ts'isy QUOI
Fa izay zava-manahira mahazo an' TOI
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/mbola-tia | MBOLA TIA | Lova miar'shu | Mbola tia angamba aho fa tsy mety mionona ny foko rehefa mifanena aminao dia ilay teninao no tsaroako
Mbola tia angamba aho rehefa injay mahita anao dia toa manara maso tsotr’izao no mankafy ny bikanao
Mbola tia angamba aho ka te hihaona foana aminao sady koa te hibitsika hoe tiako tena tiako ianao
Mbola tia anga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/tsy-hitsahatra...-tsy | Tsy hitsahatra(...)
Tsy | Ny Ela Nihetezana | Tsy hitsahatra(...)
Tsy hitsahatra aho hanandratra, ny anaran'Andriamanitra
Namorona ny taolako sy ny nofoko rehetra
Tsy miseho miharihary fa monina any andanitra
Mpitondra ambony indrindra, mahery tsy hita fetra
Tsy hitsahatra aho hidera, an'i Jesosy 'lay mpanavotra
Nanolotra ny ainy, ho an'izao tontolo izao
Ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/rehefa-mitafa-aza-asiana | Rehefa mitafa aza asiana | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Rehefa mitafa aza asiana alahelo
Na manoratra diary mba ho fahatsiarovana
F'izany dia tsara raha atao fifaliana
Dia tsy ho ravan'ny taompahalovana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/teny-ka-teny-nandeha-ny-f | Teny ka teny | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Teny ka teny nandeha ny fotoana
Nandrandraiko fitia tamin'ny olona iray
Nandeha ny andro volana hatramin'ny taona
Diso fitia fa tsy nety niray
Tany ka tany nalehako ihany.
ny fomba rehetra ifandraisako taminy
Kanefa ny androko fotsiny no lany.
Nandefa fitia tsy nandraisana valiny
Teny ka teny no nataoko taminy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ataoko-ahoana-ny-hitia-ra | Ataoko ahoana ny hitia ra | Ny Ela Nihetezana | Ataoko ahoana ny hitia raha tsy tiavina
Ataoko ahoana ny hiteny ,nefa ho lavina
Ampiandrasina kanefa tsy valiana
Ankafizina , kanefa tsy olontiana
Afilaina fa dia miandry fotsiny ihany
Na dia vasoka toa lamba volon-tany
Fa fitia tsy mety rava no ato ampoko
Tsy voafafa toy ny sary hosodoko
Tsy ho sasatra hiandry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/malla-a-tsy-resiko-i | Tsy resiko! | Ny Ela Nihetezana | Malàla a !
Tsy resiko ireo tsiaro niarahantsika roa
Bosesika ao am-po
Na efa taona maro, dia toa tadidy ihany
Tsy resiko izany!
Lay tafasirintsika tanaty volantsinana
Izay nifamihinana,
Ireny tafatafa miharo sangisangy
tsy resy fa mamangy !
Ny soa izay fianatra mba nanitsianao ahy
Tsy resy lasa tsiahy !
Ny l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/tsy-ianao-ory-sy-miaritra | Tsy ianao no ory sy miaritra | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Tsy ianao ory ry miaritra ny ngidiny
Tsy ianao mihitsy akory no lazaina ho farahidiny
Tsy ianao manao ny marina nefa indrisy fa sahirana
Na ianao te hiarina nefa ts'isy hamikirana
Tsy ianao manjoni-dava f'efa reraky ny tolona
Na ianao mikombom-bava noho injay enjehin'olona
Tsy ianao mamitsapitsaka matim-bono sy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/izany-ka-poeta-poeta-i | Izany ka poeta ! | Ny Ela Nihetezana | Poeta ianao leroa!
Poeta ianao matoa,mbola sahy mitanisa
Sedra maro alin-kisa, ao an'tononkalonao
Tsy tambazana ohatrinona, raha mizara ny am-ponao
Poeta ianao satria, na soratra na sary!
Dia mbola vitanao, angonina an'diary
Matetika indraindray, ilaozan'olontiana
Kanefa dia mijoro, ho poeta tsy mangina
Izany p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/mandrampiavinny-volana-a | Mandrampiavin'ny volana a | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Mandrampiavin'ny volana alina
No nanantenako ny tarany ho avy
Sy nitehirizako andavaka lalina
Ny alahelon'ny foko manembona azy.
Very ny toky nianteheran'ny foko
Dia lay andry niankinany mba tsy ho lavo
Ka toa tsy haiko fa dia mitoloko
Mitsiriritsa ny tafakatra avo
Ny tanjona iriany tsy tratrany akory
Dia tovo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/fiainana | fiainana | cedric tolojanahary | Fiainana
-vao maraina vao mifoha
-dia misaina avy hatrany
-fa hitady no ao andoha
-'zay ilay fiainana eto an-tany
-isan'andro mamisavisa
-hoe aiza indray no hahita vola
-ny asa an-tselika sy ny sisa
-ny fitadiavana tsy mora
-indraindray ianao toa kivy
-mitanondrika foana foana
-tsy te hisaina ireo adidy
-sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/hafatra-ho-anny-taranaka | HAFATRA HO AN'NY TARANAKA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Anaka, indreto misy hafatra vitsy,
holazaina sy hotsindriana etoana.
Hozaraina dieny mbola tsaroana,
amin-teny mazava sy tena mahitsy;
satria heverina f’efa tonga ny fotoana.
Mandeha miroso moramora mantsy
ny andro sy ny volana ary taona;
ny ray aman-dreny eo ambavahaona.
Toy ny akondro ambanana antsy;
manamba... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.