url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/fanazarana-ny-fo | "FANAZARANA NY FO" | al'fy | Tafajoronao ny tsiky, ho fanomanana ny mamiko
Handraranao ny masoko, tsy hampijoy ny tomaniko
Hanairanao ny saiko, hikalo tsara ny fisainana
Handraranao ny foko, tsy hamoizako fiainana!
Nohezahanao nolavina, ny sinaikako natao
Nanorenanao fifaliana ny tam_poko tao
Ny onjam_pitoniana no narafitra tsy ho lao
Izany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova/lavitra-ny-fo | Lavitra ny fo | Lova | Lavitra ny maso
(Loi de Newton)
Voalaza ombieny ombieny
fa ny hery izay manintona
ny roa hifanantona
dia mihena arakaraka ny halaviran-toerana
manasaraka azy ireo.
Amiko tsy marina!...
Satria ianao ry Nosiko,
na halaviriko aza ny morontsirakao
dia vao maika koa voasintona
ny nofo sy fanahiko
hiverina hifiki... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/tsiky | tsiky | cedric tolojanahary | Tsiky
-tsiky vao maraina
-no hiatrehako ny fiainana
-hampazoto tsy halaina
-hanatanjaka fisainana
-hitsenako ny alahelo
-hiatrehako ny ankaso
-mba tsy hampamerovero
-fa handresy ranomaso
-ka raha sendra izay manjo
-na koa mihafy sy mitsitsy
-hanatanjaka ny fo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/fara_vavaka | Fara vavaka | al'fy | Ray ô! henoy
fa fara-vavaka izy ity!
Izay niriako, nangatahiko
Izay nitolomako rehetra
Farany ho rombahiko
Ataoko an-kerisetra
Rehefa tsy omena!
Ny volana nandraiko
Finoana notiaviko
Fahendrena nolalaiko
Fahalalana notadiaviko
Angaha fitiavan-tena ?
Dia rombahiko ho ahy
ny poizina mahery
hamonoako ity fan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/ho-moraly | "HO MORALY" | al'fy | Tafajoronao ny fefy, hanankananao ny amiko
Hanairanao ny masoko, hampijoy ny tomaniko
Handraranao ny foko, tsy hitempo ho anao
Hanosehinao ny sento, ho ao anatiko ao!
Noezahanao nolavina ny fitiavana nomeko
Nanorenanao ny jaly, ny fisiako teto
Ny onjam_pilafila no vitanao ho reko
Izany rehetra izany, dia efa noe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/kalokalo | "KALOKALO" | Antsa tononkalo.R | Setriny ho an' Raozy,
Ngolingolin'ny fahatsiarovana aho, mievinevina samy irery ;
Manavia ny hanadino ka solafaka mahatsiahy...
Ravina sara-taho, singan'olona toa ho very :
Lavitra anao ka very dia, mamindra eny *an-tany hay !
Kotsakotsan'ny alahelo aho, maninamina aok'izany,
Te hanafatra voro-mody, misentosenton... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/alahelo-diso-toerana | ALAHELO DISO TOERANA | Fredy Jaofera | ALAHELO DISO TOERANA
Alahelo diso toerana
no tsapany any ho any,
sendra mba niserana
fa tsy misy foana izany.
Alahelo diso toerana
tsy nantenaiko intsony,
na taiza no nanerana
'reto raozy tsy namony.
Alahelo diso toerana
nanelingelina ny vintako
namoha ahy fitserana
sy nanaloka ny kintako.
Alahelo diso toe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alahelonny-fanahy/tiavo-izy | Tiavo izy | cedric tolojanahary | Tiavo izy
-Tiavo izy,dieny mbola velon'aina
-fa aza avela hitomany,aza avela hitaraina
-aza avelo hisento lava
-ka ho kotsan-dranomaso,isan'andro 'zato tava
-aza avela hitomany
-fa mbola hanenenanao io 'ndray andro any
-aza andrasana ho tapitra ny ainy
-izay ianao vao hahatsapa,ilay fitia nindraindrainy
-Ka ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alahelonny-fanahy/avelanao-izy | Avelanao izy | Alahelon'ny Fanahy | Avelanao izy...
-avelanao izy
-aza fehezina intsony
-hafao mba tsy ho kivy
-vahao ny fatotrin'ny fony
-aza gejainao 'zato fiainany
-tapaho ny tadim-pitarainany
-halalaho ny ambom-pony
-fa aza terenao akory
-fa manomboka eto androany
-dia hitony ireo tomany
-fa hivaha ireo fangejana
-sy ireo tady nigadrana..... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/indrisy-mantsy | indrisy mantsy | cedric tolojanahary | Indrisy mantsy...
-indrisy mantsy ry fiainako
-'zay ato anaty fahantrana
-iza moa no mba hitarainako
-sy hihaino izay tiako ambara
-nahoana re aho ry ilay anjara?
-no miaina fahoriana
-ato anaty fahantrana
-tsy mba misy fitsikiana
-Fahoriana lava isan'andro
-adin-tsaina foana foana
-tsy maraina tsy atoandro
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/hanoratra-aho-ho-anao | hanoratra aho ho anao | cedric tolojanahary | Hanoratra aho ho anao
-hanoratra aho ho anao
-ry ilay malalako iny
-fa ilay tsiaro anatiko ao
-mampatsiahy ireo fahiny
-ka mampisento hatrany
-mampitam-berina alahelo
-mampirotsaka tomany
-'lay tsiaro toa mamerovero
-any ianao ry tiako
-toa tsaroako ireo lasana
-ilay ankanim-paniriako
-toa natelin'ity fasan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alahelonny-fanahy/tiako-ianao | Tiako ianao | cedric tolojanahary | Tiako ianao...
-indro hatolotro ho anao
-ilay fitiavako rehetra
-avy ao anatiko ao
-mandrakizay tsy misy fetra
-Raiso akia raha sitrakao
-fa amin'ny foko manontolo
-hitoero sy anjakao
-fa hafoiko ho anao daholo
-ianao no efa safidy
-ka ho tiaviko ho doria
-hankatoavako ilay didy
-fa ho mandrakizay akia
-'z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izy-roa-vs-izy-roa | Izy roa VS izy roa | raozigasy | Izy roa VS izy roa
Fony izy roa, vao nifankahita
Samy jejo ery, isan’andro niova tafy, sy nanamboatra bika
Ankehitriny kosa, eny e mbola tsy miova
Ny tafy tamin’izany, no anaovana anio, mbola hatao lova
Fony izy roa, voalohany nihaona
Vao nifampiresaka, dia nifampitsiky, tsy hay loatra hoe nahoana
Fa ankehitriny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/asa | "ASA..." | al'fy | Asa raha tsapanao ry poeta nolalaiko
Fa misy tontolo iray, hiraisantsika roa
Misy teny maminao, miraikitra ao an_tsaiko
Misy antsa_kalonao, novoleko tao am_po!
Asa raha tsinjonao ny alina hanofisako
Ka nanantonanao ahy, ry hiraky ny ventso
Ireo ringi_kantonao toy ny paradisako
Ireny onja_kiranao, ny foko no mise... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alfy/izao-angamba | izao angamba no fotoana f | al'fy | izao angamba no fotoana farany
ahafahana mirotsy ny andro nolalovana
ny tangoron-tsento, izay mety hararany
tondra-dranon' hirifiry, porofom-pahalovana
niainana hatrizay.
asaina ho avy eto aloha ny lasa
hanati-dranomaso am'zato fandehanako
ampandalovana eto ny zava-nokinasa
hany dindo sarobidy ho an'reo tarana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedric-tolojanahary/onjam-piainana | onjam-piainana | cedric tolojanahary | ekena na dia mafy aza
'zany onjam-piainana.
hihafiana na dia marary aza
fa tsy nataoko hitarainana
satria anjara efa voalahatra
ho diaviko eto an-tany
ireo fahoriana, fijaliana
fisedrana sesilany
indraindray aho mitanondrika,
sy mila hamoy fo
mieritreritra ny lasako
sy ireo vita teo aloha
Saingy manantena a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/eny | Eny | raozigasy | setrin'ny tononkalon i Nomena Toavina Rasoanindrainy
Eny ee
Ny teny farany ambarako , ho anao ry zandrilahy
Dia saotra sitraka sy telina, tsy nihafa ianao na niahy
Niteny tsy nisorona, tsy nisala nanambara
Izay tao am-ponao tao, sy tsy nikafarafara
Vitako ny adidiko, hoy ianao nilaza
Marina ny anao, tsy hoe resa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/tiako-ianao-kanefa | Tiako ianao k'anefa... | R.V.K | Tiako ianao k'anefa
Ny hasambaranao,
Tsy takatry ny heriko,
Vola sy harena
Tsy hananako,tsy hafeniko
Tiako ianao k'anefa,
Meteza mba hizaka
Hiaraka hanarina
'ty fiainako mahantra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/mpitari-bato-vilam-bava | MPITARI-BATO VILAM-BAVA | RAFENOMANANTSOA SANTATRA | Ny olona mahay momba io Andriamanitra io
no tena misy devoly
jerena mody mpitandrina ivelany madio
nefa ny ao am-pony
tena feno fahotana
Izy no tompony raha resaka hadalana
Aroniny tsy mora amin'ny resaka jesosy
ny volanao am-paosy
dia iny ianao mandrotsaka vola anaty boaty
nefa izy no mitaty
ny vidin-katsemb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/averiko | AVERIKO | RAFENOMANANTSOA SANTATRA | Averiko ampidirina ato anaty lektera
ny diska efa kiaka tamin'ny eritaona lasana
dioviko ny saiko dia averiko jerena
ireo sary niarahanay sy tiana efa any am-pasana
Atodiko any an-dasa izay mbola velon'aina
ny masoko mitaratra ireo sary sovenira
ataoko sanatria ny hanapiaka izato saina
jeren'ny eritreritro miara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/meteza-hotantanako | METEZA HOTANTANAKO | Fidy Art Niaina | Etsy kely anie e! Ianao ry mpivahiny
Nahoana ianao no mitofezaka ka tsy mahaovoka firy?
Ny eto an-tany feno hirifiry fa ilaina ianao mitraka
Ilaina ianao miezaka...
Koa atolory ahy ny tananao
Meteza hotantanako fa mbola lavitra ny dia;
Sarotsarotra ny lalana, malama maina ihany koa
Ka etsy Rahavako hifanohana is... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/eritreritra-dia-ampy | ERITRERITRA DIA AMPY | RAFENOMANANTSOA SANTATRA | Eritreritra dia ampy hamoronana malala
rehefa te hitia ny saina sy ny fo
fotsiny mamboly voninkazo adaladala
ao anaty karandoha
dia milamina ny bandy
fa tsy mila hoe mitady
karazam-boninkazo eny ananonanona eny
fa ao dia misy anjely
Eritreritra dia ampy amonoana ilay lalaina
rehefa te hifindra any am-pasam-bon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/mba-miverena | MBA MIVERENA | Fidy Art Niaina | Tiako malalan'ny foko
Tsy foiko
Namela toloko
Fa tsy hadinoiko
Mbola manantena
Ka mba miverena
Mila anao re ny fiainako
Sy ilay fisainako
Tsy mety mino
Fa hifanadino
Dia ho rava fitia
Miverena modia
Indrisy mantsy! Iaraha-mahita
Fa tsy mety tafita
Ilay sambo
Nidiran'atambo
Ankehitriny dia nafandao
Mive... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ilay-bika-amanendrikao | Ilay bika aman'endrikao | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | o Toy ny voninkazo vao maraina
o Ilay bika aman’endrikao
o Manokatra ny fo sy ny saina
o Koa tiako ho hita foana izao
o Mibaliaka toa masoandro
o Izay mitaram-pahazavana
o Koa tiako ho hita isan’andro
o Fa manome hafanana
o Endrey tsara tarehy ianao ry malala
o Tsara nohon’ny vehivavy rehetra
o Ny masonao toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ampiakaro- | AMPIAKARO ! | Fidy Art Niaina | Lavaka mangitsokitsoka no niantotan'ny fitiavako;
Lavaka tsy hita nonoa no nianjeran'ny foko rahavako
Niezaka nihanika ihany, kely hery fa efa maratra
Te hianika farany avo; te hiakatra fa tsy mahatratra
Hantsana be mankadiry mahavery fanantenana
Moa mba ho afaka firy amin'izato faharatrana?
Hadivory sy tevana be... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/hafaliana | Hafaliana | Avoss jah | Tsara Ny Hafaliana
Rehefa Miaraka Amin'ny Fianakaviana
Tsara Ny Hafaliana
Rehefa Miaraka Amin'ny Olon-tiana
Tsara Ny Hafaliana
Raha Misy hizarana azy
Tsara Ny Hafaliana
Fa Tsy Hoe Vazivazy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/tena-tia-tokoa-ve | Tena tia tokoa ve? | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Takariva maizim-bolana
No nihaonan-tsika roa
Voalaza fa tsy misy ny olana
Raha isika no hiara-droa
Fotoana fohy taty aoriana
Indreto isika niara-dia
Tsy nisy zavatra nahiana
Koa lasa mpifankatia
Nitohy hatrany hatrany
Izany fiarahan-tsika izany
Zay aho vao nahatsapa
Fa nisy zavatra ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/farara-malala | FARARA MALALA | RAFENOMANANTSOA SANTATRA | Tsy vao androany aho no nanoroka anao
ry malalako eto am-pototry ny molotro eto izao
narahako daholo na andro na fotoana
nefa ianao malala tsy misy zaza foana
tsy fotsiny aho nanabotsina fa sady mba nitroka
nefa ianao malala tsy mety ho bevohoka
zao karaza-molotra rehetra rehetra izao
tapitra daholo nomeko handr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anao | ANAO | Fredy Jaofera | ANAO
Anao ny mamiko
ka aza hadinoina
haneho ny amiko
sy izay nokoloina.
Anao ny kiriko
niezakezahana
matoa fikiriko
hahazo vahana.
Anao ny vazoko
misosa mankany
matoa re azoko
aboraka hatrany.
Anao ny orako
feno hafaliana
matoa ifotorako
ho be fitahiana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ny-fon-dehilahy | NY FON-DEHILAHY | Fidy Art Niaina | Taitran'ireo tovovavy mipaozy
Izay rehetra miserana tiana daholo
Kanto toa Lisy, Dalia ary Raozy
Ny fon-dehilahy re ry tiako ka lolo
Izay hita rehetra toa meva
Hany izy ireny ka tiana avokoa
Fon-dehilahy: boloky homam-boatseva
"Mamy ny atsy; fy ny aroa"
Fa ny foko kosa tsy tia fampirafesana
Ka rehefa ilaozana,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/hananatra | HANANATRA | Fidy Art Niaina | Hananatra indray aho ry zandry malala
Hiteny sy hanoro hevitra anao
Ny fitiavanao mantsy toa adaladala
Diniho tsara ny tokony atao
Ny fisainan-dratsy dia tokony hialana
ny zava-drehetra dia misy fotoana
Ny fitiavana leitsy dia fifanajana
Ka aza dia maika ny hanaonao foana
Ny mpifankatia mifanohana hatrany
Raha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/matoa | MATOA | RAFENOMANANTSOA SANTATRA | Matoa ianao ry zanako sombinaiko tiako
navoakako tam-bala fa tsy tao nidiako
dia izao no tadidio sy ataovy an-doha
hoe matoa ianao afafiko etsy sy eroa
dia tsy ahy irery intsony na zanaka Nahary
fa efa hitambarako amin'ny hafa tsy niangaly
ny tady mba hatsipiko any an-tandrokao ry omby
nisy namoaka tao am-balan'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ilay-fitia-tena-izy | Ilay Fitia tena izy | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Henjehina ho vonoina
Ilay fitiavana niorina
Ady no antsoina
Fa ny tia manao sorona
Tsy voasakan’iza n’iza
Raha marina ny fitiavana
Tsy misy fetra hoe hatraiza
Na hamoizana ireo havana
Halaviran-tany ve ?
Sedram-pitia ihany izany
Ka ny tia manao hoe :
Ny tiako ho tiako hatrany
Tsy f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/ekeko-na-dia | EKEKO NA DIA | Fidy Art Niaina | Ekeko na dia mangidy sy mampamoy fo
Izay no lahatra ka tsy maintsy mankato
Maty momoka avokoa ireo fitia mba novolena
Voafitaka foana ity foko nanantena
Ekeko na dia tsy tantin'ny saina
Tendry sy anjara tsy voasetrin'ny taraina
Ry foko... Mangina re! Mangina!
Mahaiza mipetraka f'efa tsy tiana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/anjaratiana | ANJARATIANA | Fidy Art Niaina | Anjara sy lahatra ny fanambadiana
Fa tsy teren-ko masaka toa voalobo-jaza
Ny olona dia manana ny tia sy ny tiana
Ny tsirairay dia mahazo sahaza
Misy ny tiana nefa tsy anjara
Amin'izay ianao dia mety hahatsiaro fijaliana
Nefa ny ainao no amboary tsara
Fa mbola ho avy any ilay ANJARATIANA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/efa-nisy-teto | EFA NISY TETO | Fidy Art Niaina | Efa nisy teto fo nanantena
Fa niniana nilaozana tanaty ady mafy
Dia niharitra; nihafy
Fa mbola tsy foana ny fanantenany
Toa loharano tsy mety lany
Miandry ka miandry
Tsy tafandry mandry amin'ny ali-mangina
Efa nisy teto fo nanantena ny ho tiana
Efa nisy teto fo manirery
Niandrandra nijery ny lanitra ambony
Mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/maizm-bolana | MAIZM-BOLANA | Fidy Art Niaina | Malomaloka aho ry namana
F'ilay volam-penomanana
Tsy hita fa nandao
Maizim-bolana izy izao
Ilay volana baliaka
Hany mba nanilo antsika
Nisintaka any ho any
Maizim-bolana ny tany
Diavolana mazava
Indrisy! Foana sy rava
Ny fahoriako mihalalina
Maizim-bolana ny alina
O ry volana madio!
Mba miverena indray ani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ikala-anona-angaha- | Ikala anona angaha !!! | raozigasy | Ho setrin ny tononkalon'i Avelo Nidor hoe Ikala ianona
Ikala anona angaha !!!!
Izaho no lazaiko anao, Ralehilahy ity
Vao niainga dia efa haiko fa ianao tsy tia
Ny antsika koa mazava, tsy misy resaka fitia
Izaho mangidihidy, ianao niantso hoe avia
Amin ny fo tsy miangatra, koa no hilazako
Ianao ange tsy tiako, fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/indreo- | Indreo !!! | raozigasy | Indreo !!!!!!
Indreo tovovavy mbola tsy ampy taona
Tsy matoy akory dia misangy mamba noana
Mandrehitra vazaha eny amoron-driaka
Amin-dihy mafana, mampalaza an’i Afrika
Indreo koa ry vazaha, efa lany mofo
Mitsiriritra anaty, ireto tanora nofo
Any aminy izy mantsy, naloam-piaraha-monina
Ka any an-tany hafa, no ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/misaotra-tompoko | Misaotra tompoko | raozigasy | Misaotra tompoko
Nofenoinareo ny lapa ka izahay faly, tretrika
Nankasitrahanareo ireo masaka voaketrika
Tehateha-tsy nitsahatra, no nentinareo nisaotra
Nasehonareo tan’horakoraka, fa ianareo koa faly loatra
Nomenareo ny voninahitra, tam-panontronana anay
Napetrakareo koa ny toky, hoe raha tonga ange izahay
Dia t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tadidin-dry | Tadidin-dry | raozigasy | Tadidin-dry …..
Mba tadidin-dry moa ve akia aloha
Ilay isika rehetra tamin’ny taloha
Niaraka tamin’i Lenina sy i Zozety
Ry Yvonne be sy ry Kala Nety
Ny ambohimpihaonana tamin’izany
Taiza fa tsy teo amin’ny “bassin” ihany
Maika ery rehefa alakamisy
Niady toerana amin’ilay Kala Gisy
Ilay Ikala Gisin-doza tokoa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aty-aminny-tanna | Aty amin'ny tanàna | raozigasy | Aty amin'ny tanàna
Tonga soa leitsy izahay aty an-tanàna
Ny zanako leitsy no tena tamana
Mahita ny « cousin »-ny sy ny havana
Mandeha « resto » isan’andro mitavana
Izaho faly ihany fa saingy voafetra
Fa « trop » be ny aty, fa tena voretra
Voretra ny vatana, voretra ny saina
Voretra ny teny, voretra ny fiaina
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ranomaso-nisy-ranomaso-l | Ranomaso
Nisy ranomaso l | raozigasy | Ranomaso
Nisy ranomaso latsaka fony ianao vao tera-bao
Nisy ranomaso latsaka vao nandeha ny zanakao
Nisy ranomaso latsaka fa hanohy fianarana handao
Nisy ranomaso latsaka fa hanorin-tokantrano vao
Nisy ranomaso latsaka noho ny triatram-birijiny
Nisy ranomaso latsaka tamin’ilay ianao nariany
Nisy ranomaso latsaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mila | Mila... | raozigasy | Mila …
Mila saina aho, mila ny sainao
Hanampinampy ahy, hiara-hidinidinika
Hijery handalindalina, ireo vaventy sy madinika
Hifanolo-tsaina, amin’ny asa sy ny ketrika
Hifanohan’aina, amin’ny jaly sy ny tretrika
Mila sofina aho, mila ny sofinao
Monja indray mandeha, hihaino ny taintainako
Fotsiny androany, handre... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hahahahaha | Hahahahaha | raozigasy | Hahahahaha
Ianao ange ry sipa, raha nantsoiko hoe malala, ilay takariva iny
Satria izaho tsy nahatadidy, ilay tena anaranao, ka tsy te hahazo tsiny
Izay no teny tsotra indrindra, sady anaran-tsangisangy, nefa azo ampiasaina foana
Rehefa marobe sy mifangaro, ireo tapaka sy namana, na olon-kafa manoloana
Ilay izy an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nivava-ve-ny-tsiaroko | Nivava ve ny tsiaroko | raozigasy | Nivava ve ny tsiaroko ?
Alakamisy masin’ny paka tamin’izay
Nirava ny fiangonana, izahay moa tsy mpandray
Dia niandry ray sy reny, teo an tokontany
Niresaka, nitafa, nikorana,nihanihany
Izy teo alohako, olona tsy haiko, voadiniko tsinahy
Tsy haiko izay nanjo, iny aho bebe resaka, sady sahisahy
“ianao izao vao hit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ovay | Ovay | raozigasy | Ovay
Isika mila miova raha toa ka te handroso
Mila mivoatra SAINA, mila miova JERY
Ny hafa ireo TAFITA an-toe-kare-miroso
Isika mbola miaina, an-tsaina teritery
Izaho tsy hiteny hoe : ialahy, na ianao , na indry
Na hoe ny mpitondra, na ny fanjakana
Isika tontolo, zanak’ilay tongotra ankavia
No mila manao EZAKA,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fa-misy-inona- | Fa misy inona ? | raozigasy | Fa misy inona ?
Lehilahy maromaro , indreo mitangorona toa mivorivory
Manan-javatra holazaina, sa misy fitokonana, toa olon-te hitory ?
Ny sasany manoaka,sy mitan-takolaka, angamba te hatory
Ny hafa moa tsy hay, toa milongilongy,tsy hay hoe manakory
Indreo ry zareo,samy toa milanja ny hazo fijaliany
Samy tena mia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mitaraina-ny-alitara | Mitaraina ny alitara | raozigasy | Mitaraina ny alitara
Mitaraina ny alitara
Efa niova ny tantara
Izy tsy afaka hitsara
Ka tiany ezahina ambara
Taloha mantsy, eh … taloha tokoa
Lahy sy vavy olon-droa
No namonjy ny alitara
Rehefa hanamasina ny Anjara
Ankehitriny niova izany
Miodina tokoa ny tany
Tonga mamonjy miakatra eny
Lahy sy lahy mifanao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsara-be-ialahy | Tsara be ialahy | raozigasy | Tsara be ialahy !!!
Io ravehivavy, sahirana mitady
Izay jaika tsara, sy loko hoe miady
Amin’ny tafy anio, fa andro lehibe
Ka mila miova kely, fa sao dia mampihomehy
Io ravehivavy, sahirana mifidy
Izay raitra miavaka, dia manokatra manidy
“commode”, “penderie”, “placard” sy “armoire”
Dia tsy azo adalaina, sao ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/cahier-de-souvenir | Cahier de souvenir | raozigasy | Ianao izay mahatsiaro ho Tanora zokiny ihany
No mahalala sy mahay izay voasokatro eto ambany
« Cahier de souvenir »
Hitako tsinahy tam-pampirinan’entana
Ilay « cahier de souvenir »
Tsy nihamba aho nanokatra,sady nientanentana
Nazoto nikirakira
Nasesiko ny pejy,nokajiako sao rovitra
Dia hitako ianao
Nitsikiako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fa-maninona- | Fa maninona ? | raozigasy | Fa maninona ?
Dada a
Fa maninona ny lalana any dago ratsy be,
Sa zareo tsy mandoa hetra ?
Fa maninona eny an-dalana no feno olo-mandehandeha,
Tsy miasa angaha izy rehetra ?
Fa maninona ny olona « mipipi » eny an’ny arabe,
Fa ahoana no voretra ?
Fa maninona no feno tsenakely izay aleha,
Amin izay tsy misy fetra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/voafonjanny-eritreritra | VOAFONJA ANATY ERITRERITRA | Tara-masoandro | Dia iny ianao no nino, resy lahatra aok'izany,
Fa tsy ho lasa lavitra aiza, raha mbola eto an-tany.
Nofarananao ny dia, noferanao ireo hezaka,
Ka ianao ilay nanan-kery , toa nanjary nitofezaka.
"Voageja" hoy ianao, ny fo sy saina amam-panahy,
Aleonao nefa mihonona, mibanjina ahiahy.
"Efa anjara" hoy ianao, ka lan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/resinao-aho | Resinao aho | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Manao azafady aminao
Raha manoratra izao
Ary aza dia entim-po
Fa tonia tsara aloha
Noho ilay fitia izay mibaiko
Ho fitiavako anao
Izay mibahana tsy haiko
Fa mitoetra hatramin’izao
Tena resinao ny foko
Koa isan’andro aho mitoloko
Maniry ny hihaona aminao foana
Koa matetika aho lasa miv... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ampefy | Ampefy | raozigasy | Ampefy
Milentika, mihilana am-paravodilanitra ilay masoandro iva
Midorehi-mena, manjaky ny tontolo ilay lokon-takariva
Mireda toy izany, ny dobok'ati-poko mahatsiaro anao
Ny rehetra manodidina sy ny taza-maso toa tontolonao
Ireo lonjehitra mapazy, tanora mbola maitso moa tsy lonjehitrao ?
Ireo tohizam-bohitra hif... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/nofy | NOFY | Fidy Art Niaina | Mety hahafaly anao, angamba,...
Na dia hampalahelo ahy ny zavatra ambarako eto androany
Milaza ianao fa leo ny resaka fitiavana
Firedirediko mazàna teo ampototsofinao
ny haisora-mitalaho teo ambany masonao
Ambarako anio fa androany, angamba, no hifarana izany
Eny! Mety ho eto angaha no ora hikatonan'ny foko?
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/aza-maika-ny-hitia-aza-m | Aza maika ny hitiaAza m | vals cristian | Aza maika ny hitia
Aza maika ny hitia
Raha toa tsy vonon-kizaka
Na hoe tsy mahatanty, satria
Ny fitia anie mandratra
Tsy voatery mantsy ho fifaliana
Na ho fahasambarana tsy mety lany
Fa ao ihany koa ny hazo fijaliana
Izay mampahory, hitondra tomany
Aza maika ny hitia
Raha tsy vonon-kandefitra
Raha sanatria m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/sambatra | Sambatra | Hatenaina | Sambatra izay manana an'i Jehovah ho mpiaro
Sambatra izay manana an'i Satana ho fahavalo
Sambatra izay kivy ka tsy mba mimalo
Sambatra izay manota kanefa mivalo
Sambatra izay midera an'i Jehovah amin'ny kalo
Sady miangavy azy hoe mba "tantano"
Dia tsy mino ny baiboly ho angano
Ka tsy mamarotra azy na manakalo
S... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tsy-adala-akory-i-dada | TSY ADALA AKORY I DADA | Fidy Art Niaina | Anaka! Tsy adala akory i Dada raha toa ka namefy ny fonao tsy hitia
Fantatro amin'ny fihetsikao fa efa nifoha ny fitiavanao
Tsapako amin'ny firesany koa fa tsy manadala izy fa tena tia
Anaka! Tsy adala akory i Dada f'izay aloha no hitako fa mahasoa anao
Hitanao anaka? Tanteraka foana ny anareo raha toa ka anjara
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/eritreri-dririnina | Eritreri-dririnina, | Antsa tononkalo.R | "Eritreri-dririnina"
Ny andro tomoetra dia merika lava,
ny dridran'ny foko tsy mety mamoy
Ny eriteritra foana no manavatsava...
Mikotrika nofy tsy mety mba foy !
Ny erika nefa misoko misoko,
mamorona zavona tsy ahita-mazava
maniteraka haizina anatin'ny foko
Eritreritra ihany mikiry hoe: tiava.
Ny dridran'ny fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiary-n/hitia-ianao-hitia | HITIA IANAO HITIA | Tiary N. | Rehefa ianao hitia
Hanana sakaiza tsy roa ambonin'ny tany
Dia ataovy sanatria
Ny hitia tanteraka azy.
Rehefa ianao hitia
Dia tiava fotsiny ihany.
Tsy akory vazivazy
fa tiava dia tiava
Ary aoka hifanaja.
Rehefa ianao hitia
Nahita ilay hotiavina
mandrakizay doria.
Dia izao no tadidio :
Emboka ny fony
Mety t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/anjara-efa-nekena | ANJARA EFA NEKENA | Joda Razakasoa | ANJARA EFA NEKENA...
banjino ny masoko,tohofy ny molotro...
ry diadema haingon' eo an-dohako eo,
Zava-tsarobidy ny fitiavana natolotro,
nanako am-peo niery tsy nahavoaka feo,
Hiverina tadidy ny ankaso notoherina,
ny hafatra nalefa tamin'irony vorona!
Ny tsikinao niantefa izay niverimberina,
Ianao nanaiky nil... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-erika/vetivety-dinadiva...-la | Vetivety | Ni Erika | Vetivety di'nadiva...
'Lay fitia mba nitampify
To'tombatoban-takariva
'Ndray nipy di'indro dify!!!
Vetivety d'efa rava
'Lay volam-penomanana
Nantenaina hanazava,
'Ty bongom-pahasambarana!
Vetivety di'nikoa..
'Lay voady mandra-maty
Zary lasa ratram-po(...)
Nitampisaka anaty!!!
(...) Indrisy!
Vetivety di'nan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-minitra | MISY MINITRA | Fredy Jaofera | MISY MINITRA
Misy minitra
mila tsy hikisaka
rehefa andrasana
ka mipitrapitra
sy mamitsaka,
toa efa lasana.
Misy minitra
mila tsy ho avy
rehefa antenaina
ka mitsiriritra
sy te hiangavy
tsy hofosaina.
Misy minitra
mila aman-taona
rehefa tsy hita ;
ny ainga tsy ritra
fa ny mihaona
no tsy vita !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tsy-alaheloko-anao | TSY ALAHELOKO ANAO | Fidy Art Niaina | Tsy alaheloko anao akory sanatria
No nanoratako izao kaloko izao
Fa fahatsiarovana ilay fitia
Havaloko rehefa amin'ny taona vaovao
Tsy alaheloko anao fa fotsiny tsiaro
Embona mandalo miserana ihany
Raha farana eo ny taona dia izao no fantaro
NY ANTSIKA KOA TAPITRA TORAK'IZANY |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aoka-ny-lasa-ho-lasa | AOKA NY LASA HO LASA | Fredy Jaofera | AOKA NY LASA HO LASA
Aoka ny lasa ho lasa
fa ny hanova no tiana
ho to ny efa voakasa
tao anaty mangina.
Aoka ny lasa ho lasa
fa efa be ny tomany
tadidy foana nanasa
'ty tarehiko hatrany.
Aoka ny lasa ho lasa
fa mpamoha alahelo
ka sao dia handrasa
hizarana azy ho telo.
Aoka ny lasa ho lasa
fa dia sedra tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/izaho-irery-sisa | IZAHO IRERY SISA | Fidy Art Niaina | Tsaroanao ve isika teto amorom-patana ny takarivan'ny ririnina?
Izaho irery sisa no mamindro eto fa tsy eo ianao mba hofihinina
Tadidinao koa ve isika efa-mianaka nitafy bemiray tamin'ny ali-mangatsiaka?
Alina ny andro, izaho irery sisa no mandrotsirotsy an'ireto zanantsika
Fa lasa ianao niova lasy; nanadino ny efa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tantana | TANTANA | Fidy Art Niaina | Nifampitantana leitsy izahay ilay niara-nody iny a!
Dia iny koa no nitantanako azy farany
Fa ny ampitso izy notantan'olon-kafa
Nafana ery ny tafa sady nidoladola
Leiry koa moa bandy manam-bola
Na aza aho tia dia any am-paladia e!
Lasany any leitsy ikala a!
Izaho koa no adala diso nanantena
Nanakim-po tamin'ny s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mampijaly | MAMPIJALY | Fredy Jaofera | MAMPIJALY
Mampijaly ny fitiavana
rehefa tia tokoa :
tsy ahalalana havana
f'izy foana aloha.
Mahakivy ny fitiavana
rehefa mamely ;
ao avy ny fandavana,
na mody kely.
Mampiteby ny fitiavana
rehefa tsy hita ;
sentosento no goavana,
ny asa tsy vita.
Mampiady ny fitiavana
rehefa tsy zaka,
mahory tomandavana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vavaka | VAVAKA | Fredy Jaofera | VAVAKA
Mila fifantohana
ny vavaka
vao azo inoana
fa hiavaka.
Mila faharetana
ny vavaka
vao handrehetana
ny hataka.
Mila fitiavana
ny vavaka
vao hasoavana
no hiaraka.
Mila fitokiana
ny vavaka
vao ho fitahiana
no ravaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ambanivohitra | AMBANIVOHITRA | Fredy Jaofera | AMBANIVOHITRA
Mamiko loatra ny ambanivohitra
fa mahavelom-bolo sy ahenoana
ny vorona maro sy ireo sorohitra
misidintsidina eto am-piravoana.
Ny omby mitrena sy ireo kisoa,
toa manaitaitra no ahafantarana
fa milamindamina sy tsara koa
ny toerana hita mety itsaharana.
Ny akoho rehetra sy 'reny gisa
miampy ny do... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/hambo | HAMBO | Fidy Art Niaina | Tsy adalako, angamba, ny hitsodrano anao
Olombelona ianao; manan-jo ny hisafidy
Mantsy, ianao manan-tompo ka akory atao?
Fotsiny aho alahelo fa tsy afaka ny handidy
Nofinerako ny foko tsy hitempo aminao
Na dia mbola tomoetra ilay dindon-tsikinao mambabo
Fa hanadino aho; hamoy tsotr'izao
Lehilahy ny aty e! lehila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/azy | AZY | Fredy Jaofera | AZY
Tsy te hiherika azy
ny fo amam-panahy
fa nisy fiainan-tsazy
no 'ty natolony ahy.
Tsy te hiherika azy
ny androko rehetra
ka natao anaty vazy
ny nampipararetra.
Tsy te hiherika azy
ny tanjona tsy tody
fa nataony vazivazy
sy nampiasany ody.
Tsy te hiherika azy
ny lalana nodiavina
fa tsisy mokonazy,
sad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tara-masoandro/ry-haizin-kitroka-iny | RY HAIZIN-KITROKA INY... | Tara-masoandro | Ry haizin-kitroka iny, mpanaloka hazavana
Impiry moa ianao no resin'ny masoandro?
Ka ny andian-drahonao miparitaka aok'izany, sy mandositra tsy tana.
Ary indro dify ianao, dia loko fotsy indray no mandravaka ny andro.
Ry haizin-kitroka iny mpanaloka ny tany.
Toa tsy mba kivy ianao, fa tonga foana ihany?
Mandrakot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/poezita/nofy | NOFY | Poezita | *NOFY*
Nofy!
Mpiantsehatra ravaky ny saina
Lokom-pon'ny mpanantena!
Hery vaika tsy hay toaina!
Anaty,ivelan'ny tena.
Nofy!
Sakaizan'ny fitiavana
Mpandonaka tsy ho karakaina
Fa loharano mitomandavana
Ny ao am-po fa tsy maina
Mampitety vazatany
Mampiadidina lohasaha
Nef'izaho toa eto ihany!
F'izy no ody ris... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/hiondrika | HIONDRIKA | Fidy Art Niaina | Hiondrika...
Hitanondrika fa resy...
Lavo ny fitiavako
Nitsirara taminao
Naniry ny hitambatra
Nanantena ny ho sambatra
Kanefa tsy nampoiziko hoe mbola hafoiko ianao
Ny azoko atao ?
Mitanondrika eto
Ory sy misento mandefa ny vinany
Misento mitomany
fa TIA ANAO LOATRA AHO
Miangavy mitalaho
Banga ny fiainako
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/aza-sarotra-tenenina-fa-r | Aza sarotra teneninaFa r | Baraingo Valo | Aza sarotra tenenina
Fa rehefa mba anarina dia mbà hendry tsara.
Fa tsy maintsy ianao no hokaikerin'ny nenina
Rehefa miova ny làlan-tantara...
Aza sarotra tiavina,
Fa tsisy voninahitra azo amin'izany;
Ary tadidio fa ny olo-miavona
No tsy avotra indrindra eto ambonin'ny tany...
in FAMINTINANA, p. 34 |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-hetaheta- | RY HETAHETA ! | Fredy Jaofera | RY HETAHETA !
Ry hetaheta,
mahareta,
matokia,
mitobia !
Ry hetaheta,
mandrafeta,
mandrosoa,
mazotoa !
Ry hetaheta,
miraketa
ny nofy
sao rofy.
Ry hetaheta,
mireheta,
mitoera,
mitatera. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/tsy-hanoratra | Tsy hanoratra | Pissoa | Te hanoratra ho anao aho,
Tiako hotantaraina anao ny hirahiram-boron-kely
Na ny kalo rehefa injay tojo mamy ny tantely ;
Saingy vahotra ny tanako
Ndrao diso izato fitantarako.
Te hanoratra ho anao aho !
Tiako hiantefa any aminao ny bitabitaky ny foko
Ety anivon-jaridaina maro hanitra sy loko !
Saingy avelako ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thlo/masika-fitia | **SIKAM-PITIA** | Poezita | **SIKAM- PITIA**
Ahy ianao fa tsy azy
Eny tsy avelako rombahiny
Matotra aho tsy mivazivazy
Potehiko izay tombondahiny
Ahy ianao,ahy samy irery
Nef'izy koa tia anao
Izay fitiavany ovaiko fery!
Iady aho fa tsy handao
Tia anao izy.Fa ny fatrany
Ivin-jaza aza mahafaty ny afo!
Fity maramara ny ao ankavian-tratran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/lisy | Lisy | Laharthe | Lisy
Soa ihany... soa fa nisy
'Reo segondra vitsivitsy
Nanopazanao ny maso
Tamin'ny foko vonto ankaso,
Na dia tsy naharitra ela
Ilay niriko ho tavela,
Dia efa hitako sahady...
Fa handresy aho na tsy miady.
Soa ihany... soa fa nisy
Ireny ankaso tsy nitsitsy
Ka izaho 'zay sendra antambo,
Tojo tsikinao mitsabo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/rehefa-tiako-loatra-ny-ol | Rehefa tiako loatra ny ol | Baraingo Valo | Rehefa tiako loatra ny olona ankiray
Dia matetika tsy anjarako;
F'ilay tsy tiako indray
No indro mandondona an-tokonam-baravarako!
in FAMINTINANA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravaky-ny-kolo/teny-malagasy | TENY MALAGASY | Ravaky Ny Kolo | Masina ianao
Ry tenindrazako, lalaiko
Tiako loatra ianao
Ka hajain'izato saiko
Andrianin'ny fanahy
Ka mahasarotiny ahy
Ry TENY MALAGASY
Harenako sy vatsy
Ka tiako harantiranty. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/taratasy-farany | Taratasy farany | Ny Ela Nihetezana | Taratasy farany !!!
Niriko re ry dada,raha izaho no nisafidy
Niriko dia niriko ny mbola ho nitoetra
Fa ny androko voafetra ka tonga ny tsy fidy
Dia tapitra tanteraka ny androko rehetra
Voakosoka ny anarako ka tsy afaka soloana
Hizotra manirery 'lay lala-mikitoana
Misampana ry dada ny làlan'ny fanahy
Koa aoka ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/natahorako...-ho-very-t | Natahorako(...)
ho very t | Ny Ela Nihetezana | Natahorako(...)
ho very tamin'ny ora sy fotoana
Lay endrikao...voalentika mafy orina ato am-poko
Natahorako(...)
Ho tonga hadinodino foana
Ilay notehiriziko,efa ela...ka tsy foiko
Mamikitra ny vatako
ny tsiaro anao mazàna
Ny maso te hahita...mitaky koa ny saina
Ny fo zay mahatsiaro
tsy tambazana karàma
Ny se... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ty-fiainana-ity | 'TY FIAINANA ITY | Fredy Jaofera | 'TY FIAINANA ITY
'Ty fiainana ity
dia tsy tiako
raha tsisy anao,
na misy dihy
sy fifaliako
ary be atao.
'Ty fiainana ity
dia tsy ilaiko
raha tsisy anao,
na hitako fy
sy antenaiko
ka anjakao.
'Ty fiainana ity
dia tsy tsara
raha tsisy anao,
na mankaty
manambara
zava-baovao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thlo/sokitra-mainty | SOKITRA MAINTY | Poezita | SOKITRA MAINTY
Dia mbola firazanana?
efi-dranomasimbe tsy hiavanana!
Izay mety fihodirana?
Aza ti manao fijery mitongilana!
Ianao tavaratra,mpiavin'ny tatsinanana
Firenen'ny tandrefana ka mandavo ilay tsy manana!
Manana ny firehan-kevitra ijorony
Fotsy,mena...Ny azy n'lokon'ny fony!
F'izaho tatsimo!Silaky ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/resy-lahatra-ny-foko-resy | Resy lahatra ny foko | Ny Ela Nihetezana | Resy lahatra ny foko
Resy lahatra aho satria, mahatonga anao tsaroako
Dia itoeran'ny fitia
Nefa sao dia sanatria,
sanatria ka izaho irery no hahatsapa toy izany
Hilalao fitia an-tery,fa tsy tena hifankatia
Dia any am-parany hitomany
Resy lahatra aho kanefa
Indraindray misalasala
Izay tia mantsy adala, fa ny ti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/mampiahiahy-ny-toetranao | Mampiahiahy ny toetranao | Baraingo Valo | Mampiahiahy ny toetranao malala
Hataoko tia ahy kanefa mankahala,
Hataoko mankahala kanefa mankatia
Sady efa manadala vao mbola mankahia;
Mitovy sy sahala ny ENY sy ny TSIA,
Ka mampisalasala ny TIA sa TSY TIA?
Ny ao anatiko ao no manjary tsy milamina
Fa toa natambatrao ny andro sy ny alina...
In FAMINTINANA
Pe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/miorena-tsara-asa-miova | MIORENA TSARA AZA MIOVA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Maro ny zava-miseho mandrirotra amin'ny fiainana;
mampiroroa saina mety hanozongozona fisainana.
Tsy hanara-dalana mahitsy voasoritra hizorana;
raha izany, tsy ho afaka mihitsy ny fatorana.
Tokantrano maro simba noho ny akanga tsara soratra,
miezaka handrava mandady toy ny sokatra;
mampiasa angolangola sy fitaka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ekena-fa-mirafitra-ny-k | Ekena fa mirafitra , ny k | Ny Ela Nihetezana | Ekena fa mirafitra , ny kajikajinao
Nihevitra hanarina 'zao firenena izao
Kanefa mampahonena, fa aty Afrika
Dia farany mahantra , lay Gasikaran-tsika
Ekena koa fa nety, reo vina politika
Kanefa re tsarovy f'izany tsy midika
Fa sambatra ny Gasy ,manana mpitondra ngeza
Ka dia nangina tampoka ,ireo nahazo seza
Eke... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thlo/tsy-sahy | TSY SAHY | Poezita | TSY SAHY
Lazao ahy raha mihaona isika
Tsy hiteny aho fa tsy sahy
Tafio ny fitiavanao aho fa mangatsika!
Fantaro ny ati-poko fa mijaly am-panahy!
Tia aho fa koboniko
Tsy sahy ny hilaza
Am-poko ao no nangoniko
Fity matoy fa tsy an-jaza
Efa ela aho nity antsokosoko!
Fa tsy te aheno ilay hoe : Tsy!
Aza eloina re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravaky-ny-kolo/izy | IZY | Ravaky Ny Kolo | Izy ilay alaiko
sary ao an-tsaina
Emboniko isan'andro
Raha vao tonga ny maraina
Hanaovako mihitsy
tonom-bavaka miavaka
Isan'ora , isa-minitra
Rehefa iny izaho mivavaka
Izy koa indraindray
ilay manosika ny peniko
Hivetsovetso am-panahy
Ny tsy zaka anaty... izay afeniko
Izy ilay tokana
mpitantana ny diako
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fidy-art-niaina/tsy-hahita-intsony | TSY HAHITA INTSONY | Fidy Art Niaina | Tsy hahita intsony ianao olona manaja
Ekeko hoe ianao iny dia manja
Ka izay mahita anao dia babonao ny fony
Fa ny manaja anao toa ahy? Ianao tsy hahita intsony
Tsy hahita intsony ianao olona tena tia
Fotsiny, hanimba anao no tanjony di miloka ny ho doria
Ampandriany adrisa ianao; tambazany hitony
Fa ny tia anao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/mitovy-isika | Mitovy isika | Nofy2 | fa maninona ary izaho no ambara fa tsy rototra
ary mbola ampinao koa fa ny tenako no fositra
lazainao fa tsisy vidiny , tsy rarahiko izay niseho
aoka kely re rahavako, tsy hitanao ny nitranga teo
hoy ianao izaho tsy taitra toa tsy mba niraika akory
izaho anefa tena tezitra fa niezaka ny ho tony
nampanginiko ny ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ny-eto-an-tanana | Ny eto an-tanana | Nofy2 | Malaza eto an-tanana ny fanalana zaza
hatramin’ny vao misandratra na efa madama
tsy kely na lehibe injao mitamatama
tsy menatra intsony manao ny hadalana
atsy ananona atsy toerana mangina
izay rehetra zatovo na tanora samy liana
tena sahisahy mitondra olon-tiana
dia mifanorokoroka, ianao indray no variana
ery a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/reraka-ny-mitia | RERAKA NY MITIA | Zoky Eric | Fa dia nahoana loatra re ?
No tsy mba nisy teny mamy
Sady hodinao koa tsy re
Raha sendra nanotany.
Ny teny mamy izay nomeko
Teny anavona no valiny
Ny kajim-pitia no fefeko
Tsy mba hainao ny totaliny.
Ny rano masoko ny jojo
Tsy nasianao sira izany
Ny mason-tsika nifanojo.
Nampirotsaka tomany.
Ny bitsibitsiko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ny-tokantranotsika | ny tokantranotsika | Nofy2 | hoy ianao tamiko
« efa atsy ho atsy dia ho feno 10 taona ny tokantranotsika
dia tsy hitahita
ireto zava-bita
sy izay efa naorina nandritra taona maro
ny tsiky sy alahelo izay efa nifangaro
ny olana nisesy, vahaolana tadiavina
sarotra nodiavina
kanefa hoy ianao
ireny rehetra ireny vao maika nampitsiry
nahaton... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/inofy/solon-taratasy | Solon-taratasy | Inofy | Re mamirifiry ny alin'ny ririnina kanefa izaho mafana
Mafanan'ny fitiavana mireda anatiko ao
Ka mahatonga ventso tsy haiko ampanginina
Fa manosika ahy hanoratra ho anao.
Ny vava tsy miloaka, ny teny tsy lazaina
Dia ny sombin-tsoratra no ampifaliana saina
Hatao taratasy na an'nofy monja aza
Halefa any aminao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/aza-manao-ory-hava-manana | AZA MANAO ORY HAVA-MANANA! | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mahavariana ny mandinika fisainantsika Malagasy;
lany andro mifanenjika amin'ny zava-maro miseho.
Mifampikapa ranjo foana mifampively vody basy;
avy eo samy potika, torotoro, ny tontolo mankaleo.
Raha teratany no mihoitra ka mba misongadina;
enjehina haratsiana, lotoina isanandro vaky izao.
Potraka amin-tany rehe... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.