url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/sipa-tambanivolo | SIPA TAMBANIVOLO | Zoky Eric | Mba mivoatra kely indraindray,fa mba slim
jean ny ambany.
Indrisy anefa, sarokenatra dia notsindriny zipo ihany.
Mba nanao irony ankanjo, mampiseho ny tapa
nono.
Nasiany lobaka indray, fa sao hono izy ka
voajono.
Ny pataloany dia tsotra, ny cinturany
kofean'omby.
Ny ranomanitra makirana, kanefa tena mba
mahom... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ny-vady-aman-janako | ny vady aman-janako | Nofy2 | ry Raiko ao ambony henoy re ny fivavako
raha toa ka sitrakao
topazo maso kely ny vady aman-janako
ho ampelantananao
tantano tsy hivaona hiala ny lalanao
na aiza no alehany
toroy sy ampianaro hanao ny didinao
fa Ianao no hianteherany
ireto ankohonako omeo ny fahendrena
sy hanam-pandeferana
hifankatia tokoa, ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ny-vola | Ny vola | Nofy2 | raha ny lahy no mitantana ara-bola dia angano
tsy dia hainy loatra mantsy ny kojakoja tokantrano
tsaratsara ho an’ny vavy, izy mahay ny pitsopitsony
ny entakentana mandinika na vaventy samy hitany
fa raha ny vola isam-bolana aleo ny lahy no be karama
misy mantsy tsy ohatr’izany, midingin-drambo indray madama
mise... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/a.n.t.l/fianarana-fiafiana | Fianarana = Fiafiana | A.N.T.L | " Fianarana = Fiafiana "
Io fianarana io aloha
No atao voalohan-daharana
Satria voalaza fa mahasoa
Ny fandehanana am-pianarana
Dia mazoto miari-tory
Mamerin-desona isan'andro
Indrindra ilay miditra an-tsekoly
Na maraina na atoandro
Tsy dia ilaina fitafiana
Na kiraro vaovao be
Ka na dia eo ny fiafiana
Ny aha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/fandrosoana | FANDROSOANA | Daniel.R | Firenena an-dàlam-padrosoana
Raha i Madagasikara
Gejain'ny fanatontoloana
Ka very ireo zavatra tsara
Ny fihavanana nohamamiana
Indrisy injay fa levona
Hatramin'ilay firaisankiana
Nariana fa harafesina
Ilay soatoavina mba tsara
Nokoloina fatratra
Dia nampizarazara
Fa tsy maharesy lahatra
Ankehitriny mantsy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thlo/lavo | LAVO AM-PITIA | Poezita | LAVO AM-PITIA
'Lay foko faly naika tsy tony
Niny tsy nanaj'ilay lalàna mifehy
Te hisetra ka nisidina farany ambony
Indrisy!N'iangolan-tambinao tonga hehy!
Naniry ny hiotra n'tany
Haka sombim-bolana ho anao!
Tsy nisidina niakatra fa nijotso ambany
Indrisy!Lavo ka Fo feno kalalao!
'Ay ty foko vorokely mianam'ani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/rehefa | Rehefa | Nofy2 | rehefa ny lehilahy
no ampy karakara
diniho ka jereo tsara
fa hatramin’ny any am-paosiny
tsy misy izay tsy raofiny
omeny anao daholo
ny sandry beny iny
hiarovan’ilay tiany
ny ditra sy ny etsetra
afoiny avokoa
fa izy tokam-po
kanefa mbola misy ihany ny adala
na feno tambitamby
mahazo safosafo
omena azy tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/ny-lasa | NY LASA | Daniel.R | Miezaka ny olona manadino irony lasa
Kanefa ireny hijanona tantara tsy ho voafafa
Ezahina adinoina satria lasa toa mandatsa
Ny akanjo nandevenana aza tsy maintsy mbola hisasa
Ny lasa no bahana amin'ny ho avy
Ka tsy azonao dikaina
Kanefa montsaninao sahady
Ireo mafy nozakaina
Ny lasa no handraisana lesona
Hanit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/kristiana | Kristiana? | Nofy2 | be milaza fa mpivavaka ary koa manao ny tsara
sady indray mitoriteny eny ambony alitara
manao ny tenany ho ambony, midera tena ho mahay
mirehareha, mieboebo nefa tsy mba arak’izay
resy lahatra ny maro ary dia nanaka-danitra
fa raha iny olona iny tena zanak’Andriamanitra
nefa any ambadika any revy, ditra, sy lanon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/inofy/ny-voninkazoko | Ny voninkazoko | Inofy | Fa manja aok'izany ny voninkazoko iny
Na eny an-tsaha eny aza
Ekeko fa tsy raozy fa vony tsotra monja
Kanefa tsara laza amin'ny mponin'ny fanahiko,
Eken'ny rehetra fa akaiky fanaperana.
Tsy vony adaladala na adala tompo
Fa tena nofinidy handravaka ny nofy
Eto amin'ny tontoloko
Ahy manontolo, ahy irery ihany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thlo/adalanao | **ADALA** | Poezita | **ADALA**
Adala ?
Efa iarahamalala.
F'iza n'olo-tsy resiny !
Tsy adala fahatany,
na redy be ihany.
F'efa be ireo arafesiny !
Maha adala ny hendry.
Tsy mampandre,avy dia mikendry !
Ra fiti sy ny afetsiny ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/inofy/safidy | Safidy | Inofy | Ampahalalaiko anao f'izaho raha nisafidy hisintaka ho lavitra
Dia noho ny fitiavana nitsiry anatiko ao tsy tiako ho fantatrao
Ambarako ihany koa fa ireo jineriko miseran-tsy maharitra
Dia efa porofo fa misy mahaliana, mahasintona ahy ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/embonny-fo | Embon'ny fo, | Antsa tononkalo.R | Antsan'ny Ntaolo
Eo amin'ny takariva mampanembona
I
Ny senton'ny foko mahatsiaro,
misento ilay saraka an-taho
mahatsiaro an'ilay efa ringitra
ny senton'ny foko milaro,
mahita an'ilay ¹mitalaho :
Manembona mafy an'Andringitra !
II
Ny senton'ny foko mimalo,
misento an'ilay ²zana-drano
Voageja ka tsy afa-manoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/hiangavy-fanin-droany | Hiangavy fanin-droany | R.V.K | Hiangavy fanin-droany
Tsy homeko tsiny ianao
Raha mihevitra ahy ho adala
Saingy tadidio
Fa,...ianao tsy mahalala
Ny herin'ny fitiavako
Dia sahy ianao miteny
Fa,...tsy anjarako ny fony
Nefa tsy hisy intsony
Tiako mihoatra azy
Ka,aleo aho mba hiangavy
Hitaraina fanin-droany
'Ndrao mba ho tsaroany
Ny lanjan'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/aza-manin-droany | Aza manin-droany | R.V.K | Aza mamin-droany
Nandeha ianao tsy niera
Nanao izay tiana hatao
Mandatsa sy mamono
Isan'andro vaky izao
Hay nahita hafa
Hiondanandanan-tsandry
Ka namela irery
Ny foko sasa-niandry
Ankehitriny anefa
Tonga ianao mifona
Voadona tany ka,...
Manambitamby mora
Ho raisiko ihany anefa
Satria mbola tiako
Ny fiver... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/tsy-nanatena-kintana-aho | Tsy nanatena kintana aho | Baraingo Valo | Tsy nanatena kintana aho na volana baliaka
Tsy niandry taminao harena be tsy lany;
Fa matoa aho nanaiky ny hiarahantsika
Dia noho ny fitiavana no nahatonga izany!
Koa aoka tsy maninona. Aza miahiahy
Na tsy manana ohatrinona atolotra ahy rahavako;
Fa tsy ny vola loatra no mahasambatra ahy
Fa ny fitiavanao mamaly ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/tandremo | Tandremo | R.V.K | Tandremo
Aza dia mahatoky
Ny vetsom-po rehetra
Arantin'ny Poeta
Fa mbetika izy ireny
Tsy ianao no anoratany
Sy tena anandratany
Ny vetsovetsom-pony
Marina fa hoe,
Ny anaranao no antsoiny,
Nefa tadidio fa,...
Fitiavan'olon-kafa
No mibahana ao am-pony
Dia faly ery ianao
Miedona fa,...tiany
Fitiavan'olon-ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/tsara-tsodrano | Tsara tsodrano | R.V.K | Tsara tsodrano
Marina lala
Fa niaraka isika
Tsy hoe hadalana
Tsy lalao na ditra
Fa mahery loatra
Ny tendry sy anjara
Na fi aza mantsy
Aleo samy miala
Etsy 'ndehana
Izany havako izany
Banjino ny ho avy
Aza resin-tomany
Tohizo ny voady
Nifanaovan-tsika
Efa resy ny ankaso
Tsimaintsy tafita
Dia tsara tsodr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/fa..maninona-ary-aho | Fa,..maninona ary aho??? | R.V.K | Fa,...maninona ary aho ???
Hatramin'niafaran'
Ny fiarahanay
Dia,...
Vao mainka ny eritreritro
Mirohotra mankany
Dia lasa ny vinany,
Maka sarisary
Ny lasanay taloha,
Toa satry indray hifoha
Miherina eo daholo
Ny sangy manontolo
Sy ny adiady mamy
Fanaonay tamin'zany
Nefa ankehitriny...
Tsy mety ho voafafa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/ekeko | Ekeko | R.V.K | Ekeko
Tiako loatra ianao
Ka....
Na olon kafa aza
No ho fahasambaranao
Ndehana fa,...ekeko
Eny fa na hoe,...
Izy no hanome,
Ny lanitra ho anao,
Ekeko tsotr'izao
Azoko leferina
Ny ngilo sy ny aferon'
Ny tsy eo anilan-tiana,
Raha izay no hifalian'
Ilay niantefan'ny foko
Fa aoka ho tsakoiko
Ny faikafaikam-
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tena-fitiavana | Tena fitiavana. | Nalison Randrianaivo | Tena fitiavana
Tsy ny hatsaran-tarehinao
No nambabo ahy
Tsy ny bika aman'endrikao
No nahasarika ahy
Fa ilay toetra anananao
Ilay hatsaram-panahinao
No itiavako anao
Tsy ny vola be anananao
No nahamaika ahy
Tsy ny harena be anananao
No nanintona ahy
Fa ilay hatsaram-ponao
Izay mendrika anananao
No itiavako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/sopatra-ny-tany | Sopatra ny tany | R.V.K | Sopatra ny tany
Mba sopatra loatra
Lahy ianao ry tany
Fa nahoana moa aho
No voatokana hijaly?
Ianao ange ry Dada
Na oviana na oviana
Marina fa tiako saingy,
Mbola hafa ny olon-tiana e
Ianao koa ry Neny
Raha nitia sy nana-namana
Ka nanam-paniriana
Moa ve mba nosakanana
Aiza ianao malala
No avalanao ho irer... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/tonga-ilay-malalany | Tonga ilay malalany | R.V.K | Tonga ilay malalany
Dia indro ny fanahiko
Nangasihasy teo
Naka sary an-tsaina
Ny hisy rehefa avy eo
Fa mantsy olon-droa
Efa ela tsy nihaona
No indro ho tafaray
Ho sambatra indray
Dia gina ny tontolo
Ingahibe masoandro
Nijaikojaiko mora
Nandositra natiora
F'izaho kosa indrisy
Minitra vitsivitsy
Nanganohan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/tiava-nefa...aza-manantena | Tiava nefa,...aza manantena | R.V.K | Tiava nefa,...aza manantena
Rehefa tsapanao fa,tinao ny fony
Dia ataovy ampy izay
Fa aza manantena zavatra hafa intsony
Ka hangataka indray
Rehefa mba nomeny izay azony nomena
Dia hisambaro aloha
Fa aza mila kisa,miandry manantena
Mitady aretim-po
Raha mahatsapa ianao fa,babony tanteraka
Ny fo naniry azy
Ata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/nakatoko-ny-varavara-keliko | NAKATOKO NY VARAVARANKELIKO | Joda Razakasoa | Eto am-baravarakely no hitazanako ny lanitra,
dia raho-mitatao handena ny vatana
No misoko hamelona ny voninkazo manitra
Nikoro an-taona maro...nampihintsana ny rantsana,
Mpandalo miserana ireny tazako ireny...
lehilahy mpiasa hamonjy ny fodiany
Sy reny iray mibaby zazakely
Dia tovovavy iray hamonjy ny olon-tian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/malala-oh-miverena | Malala oh! Miverena | R.V.K | Malala oh! Miverena
Nahoana angaha no izao
Vao navela mba ho tsapako
Ny tsiron'ny fiarahana
Niainana fahiny e???
Te hiantsoantso mafy
Ny ao an'eritreritro
Malala oh! Miverena
F'ianao anie mbola tiany e! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/ani-zazangaly | AN'I ZAZANGALY | Baraingo Valo | Aza manatena paradisa intsony
Fa ankafizo aloha ny fofom-beromanitra.
Volana sy kintana no misy any ambony
Fa tsy sanatria akory k'izany Andriamanitra!
Ankafizo aloha ny kalon'ny domohina
Sy ny vazon'ny tanora atsy ambanin'ny tanàna,
Kalon'ny fitia indray no ndeha mba henoina
Fa aza dia variana amin'ny hiram-pid... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/handeha-ianao-kanefa | Handeha ianao k'anefa... | R.V.K | Handeha ianao k'anefa...
'Ndehana dia sambara
Na mamiko aza indrisy,
Angamba tsy ho anjara
Handeha ianao k'anefa
Ny lasa re banjino
Ireny ve no vita
Dia,...ho rava.......tsy mampino!
Raha mbola misy anefa
Na kely monja ihany
Irika fitiavana
Any anaty fonao any
Malala oh! Miverena
Fa mbola tiako ianao
Fa z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/hoani-mama | HOAN'I MAMA | Baraingo Valo | Ianao no niasa fatratra
Niala ny fandriana maraina vao madiva,
Tsy nahalala sasatra,
Tsy nahatsiaro reraka raha tsy ny andro no hariva.
Ianao koa tsy kivy
Nitolona isan'andro ireo zava-manahirana;
Fa mainka koa nitsiky
Niezaka nikaroka ny manja sy mangirana!
K'izahay raha tomady
Sy faly sy sariaka ary tretrika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/aza-manantena | AZA MANANTENA | Zay LAFATRA | Aza manantena ny hahita hasambarana raha ianjadian'ny alaheloko,
na koa fitia tonga lafatra raha nandratra ny aty foko.
Aza manantena ho tafita raha nanimba ilay hoaviko,
na koa paradisa raha afobe ilay nodiaviko.
Aza manantena tsiky raha tomany no niainako,
na koa biriky raha hanorona tokatrano.
Aza manantena in... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/rivo-pahafatesana | RIVO-PAHAFATESANA | Joda Razakasoa | RIVO-PAHAFATESANA...
Miara-miombon'alahelo izao tontolo izao
fa lasana tsy tana ilay tiana sy lalaina,
anivom-pahoriana ao an'efitra ao!
miara-mitomany fa namoy sombiniaina,
sombin-hazavana indray nandeha niserana
no tinazan'ny mason'ity zaza mena vava,
ny rivo-pahafatesana tsy azon'iza noferana
fa tonga dia na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/miala-tsiny-indrindra | MIALA TSINY INDRINDRA | Baraingo Valo | Aza lany andro mandresy lahatra ahy
Fa tsy hiaraka aminao na oviana aho ry tovolahy
Na dia hisy godom-baratra sy horohoron-tany
Na hobobohanao karazan-teny mamy
Na dia hainao tokoa ny mody mitomany
Ny hany valin-teniko dia TSIA foana hatràny!
Tsy hiaraka aminao aho na oviana na oviana
Na tambazanao harena sy kin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/ianao-mihitsy-angamba-no | Ianao mihitsy angamba no | Baraingo Valo | Ianao mihitsy angamba no dondrona sy adala
Raha toa tsy mahalala
Fa iny olona iny ange ka tsy tia anao akory e
Mba mitandrema ihany rehefa entiny matory
Fa ny iarahany aminao dia hanalàny sorisory
Hanalàny ny hamohamony
Sy izay hasosorany iainany any an-tranony
Kilalao fotsiny no tena tiany hatao
Fa tsy misy er... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/akombony-io-vava-io | RAHA TIANA HAHOMBY NY VINA SY KINASA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mahavariana ny mandinika ny fiainana an-tany;
Indrindra eo anivon'ny fiarahamonina.
Satria ny jerijery, ny fitsabahana hatrany,
No tena manjaka, sady mampiolonolona.
Raha vao mihetsika, dia be ny mpanontany,
O! ramose, o! ry madama, ho aiza izato ianao?
Miakanjo metimety ny ambony sy ambany.
Mba zarazarao, mba a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/mpanonofy-atoandro | MPANONOFY ATOANDRO | Baraingo Valo | Tahaka anay izao no mpanonofy atoandro
Satria manonofy te hiaraka aminao.
Hihamangatsiaka ihany anefa izato masoandro
Fa mbola tsy tanteraka ny nofiko hatrizao!
Dia manontany tena aho hoe fa angaha dia nahoana
Ireto masonao no tsy mety miantefa
Ato anatin'ito foko babangoana
Izay sasa-miantso anao nefa ilaozanao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/kapoakani-jesosy | Kapoakan'i Jesosy | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Ny kapoaka natao hosotroiny,
Dia dinan'ny tia tsy mihemotra
Mangidy mafaitra ny tsirony,
Nefa ritrany tsy nisy ady varotra.
Ny kapoaka natao ho fenoiny,
Dia fitiavana manefoefo.
Tsy mba vola ka ho tratra ny vidiny,
Ka ny ràny no nataony takalo.
Mafimafy kapoaka ny tany,
Fa Izy dia nanana koa.
Nangatahany esor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andro-paska | ANDRO PASKA | Fredy Jaofera | ANDRO PASKA
Androm-piderana
ho an'ilay Tsitoha
misy fahagagana
fa velona, Jesoa.
Androm-pifaliana
masina eran-tany
mivatsy fitahiana
eto foana hatrany.
Androm-pandresena
ho antsika lalandava
miampy famonjena
afaka hampisava.
Androm-pihavanana
mampiray ny Mpino
mbola ho fiadanana
no hisy ka hamasino. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sarotra-ivoahana | SAROTRA IVOAHANA | Fredy Jaofera | SAROTRA IVOAHANA
Sarotra ivoahana
ny ala nidirana
fa nivavahana
vao nihorirana.
Sarotra ivoahana
ny kizo naleha
tsy nitsoahana
fa natrehina re.
Sarotra ivoahana
'zao aizina hita
fa nikatsahana
'zay hahatafita.
Sarotra ivoahana
ny vovo nahazo
fa hay novahana
ka eto, topazo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/paska-minitra | Paska minitra, | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Ny mikalo fahatsiarovana,
Ilay fitia izay nozarainy.
Ampy ho ahy ny manantena,
Fa tsy miova ny fitiavany.
Aminy ny fitiavana,
Tsy mba teny mamy fotsiny,
Fa ny aina no omena
Hanavotana ny havany.
Eny tsy mba vola nomena,
Hanavotana antsika.
Izay tiana hahazo fiadanana,
Dia ny ainy no nalatsaka.
Soa mahatsiar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/hafatra | Hafatra | R.V.K | Hafatra
Raha ho avy ny fotoana,hisarahako aminao
Handaozako ity tany izay feno siasia
Handriako am-piadanana ao am-pasana
mangiana
Tsy hihaonan-tsika intsony,mandrakizay doria
Raha misy ranomaso arotsakao ho ahy
Tsy hampihidy akory ny hidin-drangolahy
Tsy hanova ny fiainana nodiaviko hatr'izay
Tsy hampiova ino... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-alina | AMIN'NY ALINA | Fredy Jaofera | AMIN'NY ALINA
Eritrereto lalina,
na tsy mihiratra
ny vintana
fa amin'ny alina
vao mamiratra
ny kintana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/andriamanitro-oh | Andriamanitro oh! | R.V.K | Andriamanitro oh!
Fa dia nahoana re???
Ny antitra tsy lany
Ka ny zaza vao mandeha
No aringanao sahady
Moa va,...nisy ota fady
Na heloka nataon'
Ireo zaza vao mandady ???
Andriamanitro oh!
Mahonena loatra
Ny hirifirim-pon'
Iretsy Ray sy Reny
Bongon-dranomaso
Tsy mahaloa-peo,
Miangavy re toneo
Meteza hampi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/feonny-fieriteretana | FEON'NY FIERITERETANA | Fredy Jaofera | FEON'NY FIERITRERETANA
Ny feon'ny fieritreretana
no mibaiko ny zavatra atao
ilaina hatrany handrehetana
ny jiron'ny tsara tsy handao.
Ny feon'ny fieritreretana
no namana tokana ombieny
mibitsika mba handrafetana
ny mety sy ny soa lavareny.
Ny feon'ny fieritreretana
no anatra irery eto an-tany
manoro hanam-pa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/mandrapihaona | mandrapihaona | cedarf | lasa tsy nahafoy, ka natao an-dranomaso?
ho am-pitan-drano ihany ka tsy ho tazanao ny anio,
kanefa, mbola hiverina ny tianao fa andraso!
aza kivy anefa fa izao no tadidio:
ny zavatra efa vita, na vao niatomboka aza,
tsy hofaranana sahady f'aza atao mampitomany;
fa any lavitra any aho ndrao hivazavaza,
hitabataba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-soratrao-poeta | NY SORATRAO POETA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | Ny soratrao poeta
Ny soratsoratrao poeta!
aiza ireny no miantefa?
moa am-pon'ny manan-tsaina?
sa ilay ainga mitaraina,
no hanery anao hanoratra?
Ny soratsoratrao poeta!
mamy, fa saingy izao anefa
indraindray toa alahelo
indraindray tsiambaratelo
no arantinao an-tsoratra
ny soratsoratrao poeta!
matetika mito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nihevitra | NIHEVITRA | Fredy Jaofera | NIHEVITRA
Nihevitra aho
fa nanan-dreny
vao ory tampoka
nefa dia zahao,
saino ombieny
fa dia niantoka.
Nihevitra aho
fa nanana andry
vao nisento lalina
nefa re dia izao
fa tsy tafandry
amin'ny alina.
Nihevitra aho
fa nisy mpijery
vao mba nitady
nefa ny natao
nikiky ny fery
fa te hiady !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nitsako | NITSAKO | Fredy Jaofera | NITSAKO
Nitsako talohan'ny vazana
ka dia kofona tampoka teo
izy iny raha vao nahatazana
an'ilay olona iray anikeheo.
Nitsako talohan'ny vazana
ka kendan'ny taolana ho azy
fa dedaka ho olona mazana
raha voa na toy ny voasazy.
Nitsako talohan'ny vazana
ka nihika avy hatrany tokoa
fa ireny ohabolan'ny razana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tianao-ve- | TIANAO VE ?... | Fredy Jaofera | TIANAO VE ?...
Tianao ve
ny handihy amiko
amin'izany hira izany ?
Satry ange
fa nofy mamiko
matoa aho manontany.
Tianao ve
ny hiaraka amiko
eny an-dalan'ny fitia ?
Andeha
fa efa halamiko
hahafinaritra ho doria.
Tianao ve
ny hianoka avy
'reny zava-nosoratana ?
Maro be
raha te hiangavy
hihaino iray miva... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/tsiaro | Tsiaro | R.V.K | TSIARO
Izaho aloha tsy mino hoe
Iny ianao no lasa
Ka tena nanadino e
Fa mbola hisy tsiaro
Hamoha sasak'alina
Hanery anao hiarina
Hisaina ny amin-tsika
F'ianao na aiza n'aiza
Na mandry na mifoha
Tsy hamela anao ho tony,
Ny lasan-tsika roa
Fa tsiaro sarobidy
Tsy lefy hadinoina
Aloka fitiavana
Sarotra vonoi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/ny-tena-fo-mitia | Ny tena fo mitia | R.V.K | Ny tena fo mitia
Dia,....
Mahay mitia hatrany
Na inona adalany
Sy ditra niliban'
Ilay olona notiaviny
Tsy ataony hahasakana
Ny fony tsy hitia,
F'izao no fifaliany
Dia,...
Mitia ny olon-tiany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/niova | NIOVA | Baraingo Valo | Izaho ilay tia nioty voninkazo vao mamony
Tia nanenjika domohina, tia nijery akanga vao.
No indro lasa niova fo, tsy tia nanao izany intsony
Fa nanjary tokam-po raha vao niaraka aminao...
Tsy mba zavatra fanaoko ny mivavaka alahady
Sy mivimbim-baiboly eny an-dàlana eny.
Fa hatry ny fotoana izay nakàko anao ho vad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiary-n/fitiavana | FITIAVANA | Tiary N. | Raha resaka fitia
Ny FO,FANAHY sy SAINA no afaka mandidy,
FITIAVANA HO DORIA
Miankina tanteraka amin'ny TIANA sy SAFIDY.. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/tsy-anjara | Tsy Anjara | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Noho ny baikon’ny Fitia
Izay tsy azo lavina satria
Mangirifiry ato anaty
Koa ahiana hahafaty
Tsy natao hiray ve isika
Toy ny fitiavan’ny mpivahiny
Koa nanjary nangatsiaka
Ilay Fitiavana fahiny
Ny fifaliako fotsiny rahavako
Dia tena izy ilay fitiavako
Izay efa nafoiko ho anao
Koa natao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/diso-ianao-...-fa-mbola-m | diso ianao ... fa mbola m | M'art-son Emmanuel | diso ianao ... fa mbola misy zay tavela
diso ianao ra'manana di-doha
milaza manadino ny rano nantsakana,
na ny lakana nintana,
ka tafarina tanteraka ny fo
diso ianao ra'efa mitantara
f'efa nanaiky f'izay no lahatra sy anjara
ka efa nino,fa tena nanandino
ka nefa betika matsiaro ...
ny sary mifangaro
fa tsy ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/a.n.t.l/-any-mantsy-izay-i-dada- | « ANY MANTSY IZAY I DADA » | A.N.T.L | Indrisy mantsy dify ilay maraina
Lasa lavitra any ilay nantenaina
Zary fahatsiarovana ireo niainana fahiny
Fa fasana no mba azy ankehitriny
Any mantsy izay i Dada
Eo anilan-dRay , sambatra aok`izany
Nilaozany ity sombiniaina
Nafoiny koa ny tany
Fa raha mba azoko natao
Ny mba nitana anao
Tsy nandao ity akan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferana/antso-ho-anny-lanitra | ANTSO HO AN'NY LANITRA | TSIFERANA | Ray ô! Raha sitrakao mba omeo ahy ny iray minitra monja,
Mba hahafahako hivavaka ho an'iny namako iny.
Fa mila handrendrika ny sambony ny hetraky ny onja,
Mila tsy ho hay renesina ny akom-pijaliany.
Mila hery avy aminao izy fa folak'andry nampijoro,
Nindaosin'ny ankaso ny zandriny tsy foiny.
Lasa tsy hipody ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferana/aza-kivy-raha-toa-ka-nanj | AZA KIVY | TSIFERANA | Raha toa ka nanjombona ny andronao omaly,
Manàna FINOANA fa hamiratra io androany
Raha mitoetra ao am-ponao ny FANANTENANA,
Izay afa-mandresy ireo fisalasalana!
Aza hadinoina ny fananam-PINIAVANA,
Avy eo hafanaina amin'ny afom-PITIAVANA.
zany rehetra izany dia ombay FAHENDRENA!
Minoa ahy ianao fa hahazo FANDRESE... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/baraingo-valo/tsy-tiana | TSY TIANA | Baraingo Valo | Isak'izaho mitory fitia
Amin'izay olon-tiako sy mendrika iarahako,
dia matetika foana no valiana "TSIA"
tsy misy mamaly izay fangatahako!
Niriko ny hanana fiainana vao,
kanefa indrisy toa lavina hatràny;
satria mantsy, hono, mahantra aho
ka tsy mendrika omena ny momba an'izany...
Ny aretiko anefa mihamikiky mik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferana/halan-joky-zoky-a-eto-am | HALAN-JOKY | TSIFERANA | Zoky a! eto ampiandohana dia misaotra anao indrindra,
Fa betsaka ny soa nomenao tamin'ny fiainako.
Ny talakinao nisesy no nahaizako namindra,
Noezahinao nahitsy raha tsy nety ny fisainako.
Ankehtriny Kosa.....
Fa nahoana re razoky ireo tambinao omaly?
No nanjary hadinonao ka nosetrainao fialonana.
Lasa hetahetan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/ny-tena-fiadanana | Ny tena fiadanana??? | R.V.K | Ny tena fiadanana???
Tsy ho azonao fantarina
Tsy ho azonao faritana
Amin'ny volana sy kintana
Tsy ho azonao tefena
Amin'ny vola sy ny harena
F'ireny dia mandalo
Sy manam-paharavàna
F'izao no fiadànana...
Tontolo mahafinarita
Eo anilan'Andriamanitra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferana/mba-satriko | MBA SATRIKO | TSIFERANA | Mba satriko indrindra raha hitsingerina androany
ny takariva fohy saika ampy nisambarako!
Mba satriko haharitra kokoa tsy toy ny omaly
ny adim-pamantaranora hiankinanao antratrako!
Mba satriko aza moa raha ny fitepom-poko tato
no hefanao tsapain-tanana!
Fa tena satriko indrindra raha iny omalintsika
notronim-bol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/...-na-malma-sy-mide | (...)Na malàma sy mide | R.V.K | Na malàma sy mideza,ny lalana eto an-tany
Dia ravo ny fanahy,raha mibanjina ny lanitra
Misinda eo avokoa,ny alahelo sy tomany fa,
Tsy takatry ny saina,ny herin'Andriamanitra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferana/ny-ho-ampitsoni-gasikara | NY HO AMPITSON'I GASIKARA | TSIFERANA | Asa ianao raha mahatsikaritra fa...
Efa taratry ny ankaso,
Raha ianao manopy maso.
Ny hanjo ny firenena,
Hono mantsy mahaleo tena.
Ankalazaina izao ny fety,
Atao izay fantatra fa mety,
Hirehavana amin'ny hafa,
Fa ny gasy hono mbola hafa!
Saingy nofy ihany anefa fa...
Matsatso loha toy ny fary,
Manivaiva an-j... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/a.n.t.l/-ry-fahantrana- | « Ry fahantrana » | A.N.T.L | « Ry fahantrana »
Na eo aza enao Ry fahantrana
Dia tsy ataonay sakana velively
Izahay mifankatia saingy mahantrana
Mifanoana hatrany dia tsy ho irery
Nampianarinao hiray hina
Nampianarinao mba hifandray
Hifanome tanana @ hafa hatrany
Izay tokoa no tarigetranay
Na tsy manana aza izahay
Dia nampianarinao hifamp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/...-ny-fahalemenny-fo | (...)
Ny fahalemen'ny fo | R.V.K | Ny fahalemen'ny foko mazàna
Mitia tsy mba misy fisalasalàna
Ka saro-tsaboina rehefa maratra
Tsy mety mahay manadino ny lasa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferana/nahoana | NAHOANA? | TSIFERANA | NAHOANA?
Nahoana ry foko no mitempo azy ianao,
Kanefa ankamantatra ho anao ny fitiavany?
Nahoana no tsy azoko nofy hatrizao,
Izay hany mba teny ho haloaky ny vavavny?
Nahoana ny lela no maisatra hiteny,
Ireo vinan'ny foko efa nisy hatry ny ela?
Nahoana raha foana tsy nisy izy ireny,
Fa maika tsy hay tohaina ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/a.n.t.l/-dada-sy-neny- | « DADA SY NENY » | A.N.T.L | « DADA SY NENY »
Tamin’ny mbola kely raha vao nianatra niteny
Dia ny hay voalohany dia nibada DADA sy NENY
Izy ireo no nitaiza hatrany, nitrotro sy nibaby
Hany tokana mpampitsiky ahy , rehefa marary aho na manavy
Niteny izy tsy mba nohenoiko akory
Noraisina ho tsy fitiavana fa manorisory
Fa dia nitaiza hatrany,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/endrey-ny-voninkazo | Endrey ny voninkazo | R.V.K | Endrey ny voninkazo
Maneho ny hatsaràny ao anaty haizim-bolana
Mahay mandresy ny olana
Amin'ny amin'ny sarotra sedrainy
Manolotra ny ainy
Mitondra hery hatrany
Mihezaka hampitraka ny ory sy tomany
Fa,...misy ilay Nahary
Nandrafitra ny felany ho tonga lavorary
Mahay mampisinda ny ratran'ny omaly
Mahay manasitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/hafatra-alefa- | HAFATRA AMPITAINA ... | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ravorona iry ô, handeha ho aiza izato ianao?
Mivikavika vao maraina toa maika izato izy.
Ny fikopaky ny elatrao toa mira angorodao;
Milamindamina aok'izany tsy iharan'ny kirizy.
Ravorona iry ô, mba ho mivilia ange ianao!
Hitondra hafatra kely hampitaina any ho any.
Hozaraina eny an-dàlana asa izay hevitrao?
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.v.k/faikapaikam-pety | Faikapaikam-pety | R.V.K | Faikapaikam-pety
Hoy aho aminao.
Fa ho ahy,tsy misy maminy
Ny taona vaovao
Mba vaovao kanefa,
Fa tsy misy miova akory,
Ny omaly ihany no eo
Tsy ilaozan-tsorisory
Ataoko ahoana moa
No hiaina fety sambatra
Ny fahoriako anefa
Mandranjo sy manjanaka
Mba miangatra ianao
Raha manonona ahy izany
Fa ny ahy no hia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriy/aokizay | AOK'IZAY | heriy | Aoka izay, ry tiako,
ny manao izay mankarary ;
aoka izay fa fijaliako
'ty mba andro tsy manjary.
Aoka izay, malala,
ny mandrotsaka tomany ;
aoka izay fa tsy mba hiala
'lay anao irery ihany.
Aoka izay, ry mamiko,
ny manao izay mampahory ;
aoka izay fa mbola halamiko
'reo mitondra sorisory. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/naorina-tao-anaty-tsy-fis | Naorina tao anaty tsy fis | Sento tokana | Naorina tao anaty tsy fisainana
ka tonga tsy nisafidy
dia aza manantena hoe misy itarainana
fa zakao rery io ny mangidy
satria,
voaforina tsinah ialahy
fa tsy nifanarahana
ary tsy tokony ahagaga an'ialahy
raha tsy voahomana ny fandraisana an'ilahy
Ny adalan'ny lehibe lesy
no nahatonga an'lah eto
ka ireo ants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferana/ny-noelini-raivo-eny-an | NY NOELIN'I RAIVO | TSIFERANA | Eny an-dalana eny, somebiseby i Raivo otronin'alahelo sy tsiaro an'ireo havany,
Ravahan' hatsembohana, danihan' hainandro manenika ny tavany.
Tohitena manga kely, efa ela tsy nisasa no mba hany hisalorany,
Mamelatra ny tanany mangataka ariary zato naneho ny fahatsorany.
Indrisy anefa fa ity olona noheveriny hahafoy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikalo-kanto/babonao-poeta | Babonao poeta | Nikalo Kanto | Nanomboka namaky
nanonona ny soratro mangina tany anaty
ny molotrao mivetso fa sendra fanafody
fisindàn' ny sentosento sy ny ratram-pijaliana
ny fonao efa sasatra nitia nefa tsy tiana
nandroso ny fotoana
fa io ianao nanaraka ny kaloko eny foana
namaky, nankafy.....
Niezaka namafa an' ilay tiana fa tsy tia
Na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/raha-misy-hono- | RAHA MISY HONO ! | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Raha misy manontany:
“Nahoana no tomany?”
Ny tsara tokony ho fantany,
Ny fiainana eto an-tany,
Tsy misaraka amin'izany.
Raha misy ny tsy zaka,
Am’ireo toerana voatety,
Saika hanorenan-dapa;
Aleo mihitsy tsy harenty,
Hiandrasana ny metimety.
Raha misy jery vilana,
Ny fiaina-mitongilana;
Ny atao manahirana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/dada-a-ho-aiza-dada- | ILAY MPANENDAKA | Zoky Eric | "Dada a! Ho aiza Dada ?"
Hoy ireto zanako
nisambotra ny tanako
Nitanondrika aho nisento, nirotsaka tomany
Ndeha hitady vola i Dada, ny zanako eto ihany.
Raha mba fantany mantsy
fa ny aty ampaosy antsy.
Antsy lava sy maranitra, no fitaovana ampiasaina.
Indraindray aza moa, tena mahatapitr'aina.
Eny , asa ratsy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/fianarana | Fianarana | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Ny fahaizana sy ny fianarana
Izay tokony ho loha laharana
No tiako mba hasian-teny
Fa zava-dehibe mantsy ireny
Ny sasany tena sahirana
Mianatra mafy ary koa mifaninana
Milofo sy tena manaizana
Fa te hahazo ilay mari-pahaizana
Ny fianarana mirindra
No lova tsara indrindra
Koa mahaiza man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saoly/fara-hafatra | Fara-hafatra | Lemady | Izay ho ampitso aloha tsy haiko,
f'ity fara-hafatra ho lazaiko
raha ho faty aho rahatrizay.
Tonga dia ekeo hoe "Eny"
dia araho ara-bakiteny,
hanangatra aho raha tsy izay.
Toy ny zaza vao teraka,
ampitanjao tanteraka.
Na voloina aza tsy arata.
Esory izay kisolosolo;
ny solo-nify, solom-bolo...
Ho natoraly, t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferana/tanatinny-foko | TANATIN'NY FOKO | TSIFERANA | Tanatin'ny foko nisy feo niantefa,
Bitsika malefaka tsy azoko lavina.
Nivetso mangina hoe aza havela hilefa,
Ireo kanton'ny gasy izay saro-tadiavina.
Tanatin'ny foko izy no injay nanambara,
Tandrovy mba tsy hisy ny loza sy antambo.
Fa tsara sy masina anie i Gasikara e!
Kanefa mila ho somparan'ireo "RAINIVOANJO"
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/jamba-ny-fitia | Jamba ny fitia | Sento tokana | Fa naharitra hafiriana moa?
no nibanjinako anao
fotoana tahakany inona ?
no nandinihiko anao
ka toa zary jamba aho
jamba ny fitiavako anao
Fa mba litatra firy moa?
no nogohiko
ary " tige" firy?
no nofohiko
ka zary domelina aho
domelin'ny fitiavako anao
Mamo aho ankehitriny
ka mitabataba, mirediredy
mivaza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/mbola-ito | Mbola ito | Ikalamako | Mbola ito ilay fitia
Nofeheziko ho amboara
Nangalako vorombý
Tamin’ny fetinao, malala.
Mbola tsisy nanombinana
Mbola manitra aok’izany
Ka na rivotra na inona
Tsy nahasimba ny hatsarany.
Ilay fitia nafonja omaly
R’hampitso mbola hakadiry
Tsy rohizina amin'ny tady
Fa tia sy tiana mifaniry.
Mbola ianao no mpan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ho-anireo-namako | Ho an'ireo Namako | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Tiako daholo ianareo namana
Na ny havia izany na ny ankavanana
Tiako ny kely tiako ny lehibe
Na ny ankehitriny na ny taloha ela be
Nomenareo ahy ny tena Fitiavana
Nefa ianareo tsy tena havana
Nareo no nahatonga ahy ho lasa nasandratra
Teo anilanareo aho ka nahatsiaro sambatra
Tao ny ady sy ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferana/ny-diampeniko | NY DIAMPENIKO | TSIFERANA | Ny aingan'ny fanahy mamony anatiko any no tsy hefa raha hafeniko
Ny taratr'iny volana rehefa alim-pararano mandrisika ahy hitsiky
Ny talenta anatiko any ezahiny fohazina tsy havelany hitampify.
Ireo tsy tia manondrak'eso hoe adala hono aho mandefa ny vinaniko
Mainka aho tsy ho kivy fa io DIAM-PENIKO io ho voninahit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/tokam-po | TOKAM-PO | R.N Randriii | Iny tsikinao malefaka
Lasa tsiaro iray mipetraka
Hasambarana tsy mety lany
Tiako ho anao irery izany
Malahelo anao ny foko
Tena izy fa tsy toloko
Mikalo ho anao irery ihany
Ity foko mamela mamy
Falifaly koa ny saina
Ka tsy misy mampalaina
Hasambarana tsy mety lo
Iny ianao ilay tokam-po
Satriko foana koa ani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandalo | MANDALO | Fredy Jaofera | MANDALO
Mandalo ny aizina
vao mahita mazava,
ohatra ny nofaizina
vao indro misava.
Mandalo ny alina
vao mahita maraina,
toa nilatsaka lalina
vao mahazo aina.
Mandalo fiakarana
vao mahita fidinana,
tsy fantatra anarana
vao be fanambinana.
Mandalo ady mafy
vao mahita ny soa,
tsy maintsy nihafy
vao mitobak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiferana/fitia-fa-tsy-saranga | FITIA FA TSY SARANGA | TSIFERANA | MALALA A !
Toa tsy mendrika akory ny hiantso anao malala ny vavako satria ,
Ny manana sy ory, ny toa anao sy izaho, tsy natao hiaradia.
Aza omena tsiny aho raha somary menamenatra miara-dalana aminao,
Fa raozy anaty hady aho ka tsy tazan'ny mpandalo eo anilanao .
Haiko ianao fa tia ahy saingy ny saiko no tsy mety,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/momo-jaomanonga/ny-hitany-sintrany | Ny hitany sintrany | Momo Jaomanonga | Tsy vava no tsisy
fa matoa izy nangiñy, ao foño ny dikany.
Tsy hitroatra no tsy hainy,
fa mandefitry no hitany sintrany.
Tsy masony gila
fa raha jiaby mandalo nataony sary tsy hita.
Fônazy mbala tia,
tantara tiany hitohy tsendriky ho vita...
Tsy sörany ratsy,
na olo adala fo mbala misy mpitia.
Aleony niaritry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/tsy-vatra-ho-tantaraina | tsy vatra ho tantaraina, | M'art-son Emmanuel | Tsy vatra ho tantaraina,
Na koa ho lazaina
Fa tsy takona afenina
Tahaka ny vay an-kandrina
Ny lasa, ny làlana nodiavina
Ny rehareha, ny nenina
Eny, tsy takona afenina...
Malama maina mantsy iny nolalovana
Maro sampona sy be mpankahala
Be mpanadala,
Fandrika fototrin'ny fahasambaran' ny hafa
Ny fahavoazako ..... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/mampandry-tany-hoe- | MAMPANDRY TANY HOE ? | dafa | MAMPANDRY TANY HOE ?
"Miaramila maro, tsara hofana aok'izany
no halefako any atsimo mba hampandry tany.
Homena fitaovana, hovatsiana sakafo
fa handringana tanteraka ireo karazana malaso."
Nihoraka ny vahoaka, nibitaka ny ankizy.
ireo malaso kosa niforitra izaitsizy.
tsy nahasahy nikofoka, tsy nahasahy nanafika.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/resy-ny-foko | RESY NY FOKO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | RESY NY FOKO
Odrey! izato antsoantsonao ry foko
mihiaka, mitalaho anaty ny toloko
mitoetra manirery anaty loko mena
midoboka mangina, misento mahonena.
indrisy! fa gina sady sina ilay fitiavako,
nangina sy nangaina ny hasambarako.
oh! toa malefaka fidoboka ho aho izato foko
sa efa potika sy rava ilay sary'hosod... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsara | TSARA | Fredy Jaofera | TSARA
Tsara ho an'ny saina
ny tsy hahalala akory
'reny zava-nozakaina
sao tsy hitondra tory.
Tsara ho an'ny isika
ny tsy hizara marina
'reo sedra be nasiaka
efa saika namarina.
Tsara ho an'ny anio
ny tsy hijery intsony
'reo ratra...Tadidio,
na saika tsy hitony.
Tsara ho an'ny taona
ny tsy hamoha indray
'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tsingerin-taona-mariazy | TSINGERIN-TAONA NY MARIAZY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mitsingerina indray;
Ilay andro iray malaza,
Efa niainana hatrizay,
Fy na ny iray minitra aza.
Andro isan'ny miavaka,
Amin'ny andro rehetra.
Hamafisina ny vavaka,
Tena aina anie no fetra.
Andro manana tantara;
Tsy hiverenana indroa.
Nefa be ny azo ambara,
Amin'ny fiainan'olon-droa.
Andro iray miraki-boady;
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/i-neny | I Neny | Nalison Randrianaivo | I Neny
Sakaiza sy Ndrema " Kambana "
Mpitantara: Aroso anareo androany ilay tantara mitondra ny lohan-teny hoe " I Neny "
Sokanjin-tantara: Anatra, Nenina
Mankafiza finaritra ary tompoko!
Neny: Sakaiza a, Avia aty aloha ianao
Nankaiza indray i Ndrema zokinao?
Maditra izany raha zaza marina mafy
Manata-bava sady... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aleoko-tsy-manana | ALEOKO TSY MANANA | Fredy Jaofera | ALEOKO TSY MANANA
Aleoko tsy manana
toy izay manan-dratsy
fa soa ny fiadanana,
na ho tsy ampy vatsy.
Aleoko tsy manana
toy izay manan-doza :
sarotra ihavanana
fa lazainy ho kitoza...
Aleoko tsy manana
toy izay manam-biby
fa dia nosakanana
'reo lova hifandimby.
Aleoko tsy manana
toy izay manan-tsilo,
izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/mifamatotra | Mifamatotra | RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà | Zava-miafina aminao ny momba ahy
Nefa nitia ahy ianao tsy mba nanahy
Misitery tamiko ny mombanao
Saingy efa resy aho, resinao
Izany ve no atao hoe Fitiavana ?
Koa izaho sy ianao no nanao finiavana
Niezaka nitambatra ho tena iray
Sa kosa efa anjara nomen’ilay Ray ?
Nitohy ny fitiavana ,fitia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy-am-pitiavana | REHEFA TSY AM-PITIAVANA | Fredy Jaofera | REHEFA TSY AM-PITIAVANA
Rehefa tsy am-pitiavana
no anaovanao ny adidy,
tsy hivatsy fahasoavana,
na ambara ho sarobidy.
Rehefa tsy am-pitiavana
ny andraikitra sahanina,
mirefarefa ny finiavana
sy toa mahavalalanina.
Rehefa tsy am-pitiavana
ny asa maro tanterahina,
tsy dia hita ho goavana,
na indro foana arah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/vonona-sy-vanona | VONONA SY VANONA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | VONONA SY VANONA
mamy ianao ka mamy
ndimby ianao ka ndimby
ho mamy hatrany hatrany,
fa tsy hampitondra ny mangidy
ny faritra hiadidiana
tanora vonona hiady
hijoro an-kasahiana
hanangana ny hoavy,
sy hanatsara fihariana,
fa tsy hampitondra fahoriana
tanora vonona hijoro,
hitondra fanovàna
hanampy sy hanoro,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/aza-avela-ho-maina | AZA AVELA HO MAINA | Joda Razakasoa | AZA AVELA HO MAINA...
Notapahana ny elany,
nodorana ho lavenona ny akany nitoerany,
Zaza firy moa?
no maty ray sy reny tamin'ireo nahery fo ?
Malagasy firy
No matimaty fotsiny sy nahare nangirifiry
Nanoratra tantara
Fa mba te hanavotra an'i Nosy gasikara ?
Firy koa
Ireo nikomy te hamerina ny fomba taloha
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randriatsitohaina-lameric/tiako-izy | Tiako izy | Randriatsitohaina Lameric | Tiako izy
Tiako izy ho eo anilako ;
ilay mihanta sy miangoty.
Izy ilay tokako sy silako.
Ilay tokiako sy mahatoky.
Tiako izy ho ahy irery.
Tsy hitambarako na amin'iza.
Ny voadinay no tena hery.
Ilay fitia tsy mifindra.
Tiako izy ka ho tantanako.
Mba handravaka ny lalako.
Harena sarobidy hananako.
Tsy atakal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/sendra | Sendra | Joda Razakasoa | SENDRA...
Sendra mba nikaroka
Ireo karazan-diary,
Mitahiry fahatsiarovana
Ny tanako androany...
Dia nanamafy hatoka
Fa ny tany aloha tany?
Ny lala-nolalovana?
Tadidiko eny izany...
Voajeriko tsy nahy
Ny tararasy nifamaliana
Tamin'izany ora izany,
he! Tadidiko ry iky...
Saina,fo,fanahy
no nitambatra mangin... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.