url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/maty-ilay-fanahy
MATY ILAY FANAHY
Joda Razakasoa
MATY ILAY FANAHY... Ry lanitra o! Misokafa... Vangio am-pitoniana ny varavaram-poko, foana va ny tafa? Nifamaliana an-kira novetsoina sy nantsoiko! MATY ILAY FANAHIKO... Mandry am-piadanana anaty fasany any, kanefa tsy sahiko Ny hamongotra ny razan'izany avelo izany, ny hiady lavaka... Ny hangady vovoka sakai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tsy-ny-tsara-ihany-
TSY NY TSARA IHANY
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Maro ny zavatra iainana, Eo amin'ny andavanandro, Tena ilam-pandeferana. Mitaky fotoana isainana, Hahafahana mitandro, Tsy hisian'ny hatezerana. Ao ireo mpanenjika, Tsy any aloha fa afara. Mihevitra hamingana, Mifofotra handrendrika, Mikendry foana hahatara, Hanapitra tamingana. Tsy toko, tsy forohana, Ire...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mahaleo-ny-sarany
TSY MAHALEO NY SARANY
Fredy Jaofera
TSY MAHALEO NY SARANY Tsy mahaleo ny sarany ny zava-nomaniny ka henoy ny fararany fa be tomaniny. Tsy mahaleo ny sarany ny zavatra foiny ka ario re ny anarany fa dia nolotoiny. Tsy mahaleo ny sarany ny zava-nomeny ka topazo ny anjarany fa osa ombieny. Tsy mahaleo ny sarany 'reo zava-bitany ka saino ny ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/iza-no-ho-fidiko
Iza no ho Fidiko
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
 Itako avokoa na ny fohy na ny lava  Na tamin’ny andro maizina na ny mazava  Maro tamin’izy ireo no niriko  Koa iza amin’izy ireny ary no ho safidiko ?  Betsaka ireo no sendra mifanena  Na ny ety an-tanàna izany na koa ny eny an-tsena  Tsy lany ny isany ka tahaka ny votry  Koa iza no ho fidiko , ny main...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-zanako
Ny Zanako.
Nalison Randrianaivo
Tantara kely indray ity mitondra ny lohan-teny hoe" NY ZANAKO " Zaka sy Noro Noro: Leo aho marina e Leo amin'ity fahantrana ity aho Leo amin'ny fihafiana ato aho Leo amin'ny fijaliana isan'andro aho Zaka: Noro a, Fa inona ity mahazo anao? Mananà re finoana mananà fanantenana Fa any andro any volana ary any taon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randriatsitohaina-lameric/soa-ihany
Soa ihany
Randriatsitohaina Lameric
Soa ihany Tamin'izany aho nialany; nilaozan-tiana, feno tomany. Tena efa kivy sy efa lao. Soa ihany fa teo ianao. Efa namoifo teo amoron-drano. Niantso fahafatesana sy nanganohano. resin'ny fitak'izao tontolo izao. Soa ihany fa mbola teo ianao. Efa niova tamiko ny lokon'ny fiainana. Rotaka sy tolona... tsy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/ny-zanako
Ny zanako
Sento tokana
Zanako o etsy ho fihiniko ianao fa maha ontsa ahy ny mahitanao manganoano mahavaky ny foko ny mandre ny sentonao. Zanako a! mbola zaza ianao dia aza miheritreritra akory izay mbola hoavinao fa tsy maintsy ho tafitako ianao. zanako avia manantona, etsy hofafako ny ranomasonao dia mangina sombiniaiko fa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/ny-fifaliako-sy-fitiavako
NY FIFALIAKO SY FITIAVAKO
R.N Randriii
Ny fitiavako anao ry tiako No hany fifaliako Hasambarana tsy mety lany Natokako ho anao irery ihany Falifaly ery ny saina ka tsy misy mampalaina Mirana aoka izany ny fo Fa miara-dia isika roa Ny fifaliana eo anilan'ny tiana Dia tsy ho lany hamamiana Raha sendra lasa saina Ny anaranao kosa no vetsoko sy tanta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/ny-fitiavako-anao
Ny Fitiavako anao
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
 Ny Fitiavako anao izay tsy ho voavidy  Koa na iza na iza, tsy afaka handidy  Ny Fitiavako anao dia tsy mety ho faty  Fa efa miraikitra ato anaty  Ny Fitiavako anao dia voafehy  Ao anatin'ny Akany tsara tarehy  Ka na zovy na zovy hamoha ny fatorana  Ilay Fitiavako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonjanahary-tojosoa-ejic/hendre-tsara-re-ianao
Hendre tsara re ianao
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Tovovavy kanto ianao Ry malala tena tiako Koa ny tenanao hajao Fa efa ela no niriko Mitondra ho amin’ny fahasimbana Ireo ditra sy hadalàna Ny toetra ratsy mba hialao Hendre tsara re ianao Fitiavana no antony Ny fananarako anao Miovà fara-tampony Hendre tsara re ianao Ianao no tiko ho vadiko Hatrizay ka ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/ratranny-fitia
Ratran'ny fitia
Zay LAFATRA
Ianao ve ry tovovavy, Dia ho hatsatra manavy, Ny ratrany fitia? Hivangongon-dranomaso, Ny fitia feno akaso, Tsy ho tapitra doria! Hitomany anaty haizina, Toy ny olona nifaizina, Any am-ponja ireny! Ho mainti-nalahelo, Sy hitrotro-delo, Ao anaty heniheny! Hanjombonjombon-dava, Toy ny zaza mena vava, marary...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/misy-andro
Misy andro
Ikalamako
Misy andro, valalanina ny saina, zary reraka toa, intsony, satry tsy hiaina. Misy andro, hafaliana tsy hay lanjaina, no iny ody nampilefy ilay konaina. Misy andro, toa ity rotika ny zahatra, ny tena hana, tsy hita aiza no hamahatra. Misy andro, tena hery tsy omby tratra no manainga fo sy saina mba hitrak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randriatsitohaina-lameric/faka-vady
Faka vady
Randriatsitohaina Lameric
Faka vady Tsy rendrarendra, tsy haitraitra Ny fitiavako anao Fa ny foko matoa taitra. Tsy haiko. Ny fitiavanao? Tsy nasiako olana akory. Izay momba anao tany ho tany. Fa tonga aho dia nitory Ny fitiavako avy hatrany. Ianao koa tsy nihambahamba Fa avy dia nitsotra Tsisy hoe : sambasamba Na hoe antendri-molot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/rahafaliana
Rahafaliana
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Nahoana no mody sahady Rahafaliana? -Tsy zaka ny todim-pitia, mety mamonjy akany. Fa tsy tohitra angaha Rafahoriana? -Sanatria, tsy vatrako fotsiny ny hahita azy hitomany! Raha tsy mahadiso, aiza kay ny domoina? -Indrisy fa niova ho bolokim-bazaha. Ka inona no andrasana fa tsy ndao vonoina? -Ny fahadalàna, hono ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/afeniko
Afeniko
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Fa raha vola aman-karena, No lazaina ho fahasambarana. Tsy miambo izaho milaza, Hoe izaho no tena miadana. Tonga lafatra raha ny tefiny, Fakan-tahaka mihitsy. Saingy indrisy, Fa fitaka ireny. Fa ao anaty tsikiko iny, Lazaina tsy misy tsiny. Ao no afeniko ny loko, Lokon'ireo karazam-pijaliako. Ao ambadiky ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fiainantsika
NY FIAINANTSIKA
Fredy Jaofera
NY FIAINANTSIKA Ny fiainantsika dia fotoana maro izay mifanesy ka aleo handeha fa mahasariaka, mahasaro-piaro, tiana handresy matetika ange !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randriatsitohaina-lameric/tsy-tamana
Tsy tamana
Randriatsitohaina Lameric
Tsy tamana Raha nandinika aho Dia tsapako avy hatrany Fa amin'izao fotoana izao Raha maty aho tsy misy mpitomany Tsy hilaiko anefa izany Fa alala ambany tany Dia ny tiako ho renao androany Raha maty aho ianao tsy tiako hitomany Raha maty aho ataovy hoe : "mamy." Fa ny vatako aleveno ambany. Fifaliana fa tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabemarenina/tia-anao-aho-rahavako-nef
Tia anao aho rahavako
Rabemarenina
Tia anao aho rahavako Nefa toa vahotra ny vavako Ny hanambara aminao ny fitiavako Matahotra aho mantsy Sao lavina ilay fitia Ka tsy ho tantiko mihintsy Ilay haheno hoe Tsia Hiezaka aho anefa Ny hanambara aminao Fa fitia tsy misy fetra No hatolotro ho anao Koa raha sitrakao rahavako Dia mba raiso ny fitiavak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/alahelo
Alahelo
Zay LAFATRA
Rehefa malahelo dia tsy mahateny ninoninona! Sady ialahy mahantra no mbola kely tsinotsinona! Rehefa be fitiavana tsy mba valian'olona fitiavana! Fa valiany avonavona! Izay mitombo fahendrena marina no mitombo alahelo! Izay tsy manadino no mitombo fahanginana mamelovelo. Ny alahelo mantsy dia fitia tsy tanteraka!...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/izy-ilay-nambabo
Izy ilay nambabo
Zay LAFATRA
Tao anaty telo taona, niarahana teny foana, dia nahitako alahelo, sy hafaliana etoana. ka tsy nahoako akory, tamin'izany na nitrambo, ny ranomason'olon'ory, satria izy ilay nambabo. Na hariva maizin-kitroka, ny firavana tamin'iny, ka tsy nataoko nahaditsoka, mba tsy hananan-tsiny, fa nateriko ianao sakaiza,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randriatsitohaina-lameric/kamboty
KAMBOTY
Randriatsitohaina Lameric
KAMBOTY Eo ianao ry masoandro baliaka Mitsilo, manazava ireto zava-boary Ka ianao no inoako fa mahita Fa mitazana ny fiainako an-tsary Rehefa mody any ho any ianao Ka handao indray ity taninay Izahay kosa manantena andro vaovao Hoentinao hanazavana ny fiainanay. Ny alina mangina kosa ry volana, tsilovy. Ireo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randriatsitohaina-lameric/fitiavako-masiaka
Fitiavako masiaka
Randriatsitohaina Lameric
Fitiavako masiaka Ity tononkalo ity, aleo ho misitery Ka tazomy ho anao irery Hitia anao aho @ ity fotoana efa tsy ananam-piry?! Tsy aiko fa mikiry... Hitia olona mandalo anaty filafilan'ny ora sy fotoana ...hitia ianao dia ahoana?! Fa tiako ianao malala Dia...nanamboarako ainga tsy nisy mpahalala. Tsy ambarak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/mamy-aky-ny-tsikitsikin-dry
Mamy aky ny tsikitsikin-dry
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Mamy koa raha mamy, Ny tsikitsikin-dry. Tsy mba maro ny mitovy, Tena hafa mihitsy ery. Fa raha tonga aky ny alina, Ny volana no andrasana. Eny mantsy aho no hijery, Ilay tsikitsikin-dry. Vatra ery ny mitondra mody, Ao anaty saiko ao. Ary hivimbina azy hatory, Hanofisana anao. Mamy aky raha mamy, Ny tsikits...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/hanomezo
Hanomezo
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Raha mbola misy teny mamy, Sisasisa anatinao any. Dia mba hanomezo kely! Fa efa reraky ny mijaly. Raha mbola misy hantra, Azonao zaraina. Dia hanomezo ny mahantra. Fa aza avela hi pitrapitra, Raha mba manana ny ampy, Safosafo, tambitamby. Aza tanana irery, Fa hanomezo izay mitady. Hanomezo izay mba misy, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randriatsitohaina-lameric/an-tsary
An-tsary
Randriatsitohaina Lameric
An-tsary Voninkazo miran-dava ny foko, Mitahiry fitia. Maro mpankafihy. Saingy indrisy fa sembanana toloko. Ianao ry voninkazo haniniry mandramaty Tsara karakara. Mirakotra tantara. Mitahiry ilay fitiavako masiaka tsy ho tanty. Dia izay ny lazanao ry sary Alahelo sy fijaliana Asambarana ny sy fifaliana Mifa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ilazao
Ilazao
AMN (Arialy)
Ilazao vaovao , dia ataovy tsaratsara Misy anombino kely, raha toa ratsy fara Ilazao izay mety, efa lao ny hoe jaly Mba asio teny soa, mba asio hoe mifaly Ampitao aty amiko, izay hoe mahasoa Aza atao lavitra ahy, mila akaikiko tokoa Tsy ny alahelo akory no ibahana ato am-poko Aoka izay ny asa loha, aoka izay ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/you
YOU
Fredy Jaofera
IANAO Ianao no mbola voafidy hianteherana mandrakizay, koa andao re fa sarobidy ‘reo dina natao hampiray. Ianao no mbola voatendry hampihaingo ny zava-boahary ; koa ento fa tsara fikendry 'reo toky natao tsy fanary. Ianao no mbola voabaiko Hitondra ny tsiky rehetra, koa ity fa na dia ny aiko, atolotro atao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/hamono-tena-aho
HAMONO TENA AHO
Zoky Eric
~Bavy a , fa inona ity atao ? ~Toa mirotsaka tomany -Tena voa aho lesy izao a -Leo ny miana eto antany . ~Odry ! indria ty ve adala e. ~Toa miteniteny fahatany. -Ka izaho very malala e ! -Nilaozany aho androany. ~Ee, fa dia nahoana loatra ~No nandao anao ny fony ? -Izy hono efa tehivoatra -Dia izaho tsy tian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/dada
Dada
Zay LAFATRA
Dada! toa verivery dia sy lasalasa saina ny fiainana omaly, tsy fidiny ho anao no lasa toy izao ka ho olona hijaly dada! tsapako ihany koa ireo olana nianjady izay tsy zakanao, dada! manankìna fo amin'ilay Tompo Andriamanitrao. Ianao ilay nifofotra ny hahatafita anay tao anaty tery, tsy nitsahatra nikolo anay na d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maka-tsirony
MAKA TSIRONY
Fredy Jaofera
MAKA TSIRONY Misy maka tsirony mahita anao mijaly hamelona ny jirony ka mainka aza faly.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misavily
MISAVILY
Fredy Jaofera
MISAVILY Misavily ny andro sy ny ora handalo ka mitily sao dia hatsora ny kalo. Misavily ny soa sy ny tsara hitoetra ka mamily amin'izay anjara no fetra. Misavily ny fo sy ny saina ho any ka avily fa dia nanaintaina, ry tany !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ianao-ilay-zavavy
IANAO ILAY ZAVAVY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ianao ilay zavavy angamba: ianao ilay tovovavy dofodofotra fitombona manintonintona ny maso sy misaritsarika ny saina izato fidolanao mamindro, miankavia dia miankavanana toa miangoty ny fitiavako ary izato lantom-pihetsikao kanto tena kanto lafatra eny meva tena meva nefa toa mety hampidi-doza ary ny fita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga-ho-azy
TONGA HO AZY
Fredy Jaofera
TONGA HO AZY Tonga ho azy ny teny milaza fitiavana rehefa mba tia ; mibosesika ombieny no fahasoavana manilo ny dia. Tonga ho azy ny teny milaza fahoriana rehefa mba ory ; mitobaka be lavareny, na dia tsy tiana sy manorisory. Tonga ho azy ny teny milaza haravoana rehefa mba ravo ; maafinaritra ny eny n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/totom-barim-bazimba
Totom-barim-bazimba
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Mifoha maraina i Ramazoto, Fa miomana hitoto. Ireo akotry mana, Fa miandry azy ao ny laona. Niandrandra izany ny Hitsikitsika, Nantena hisy hipitika. Kanjo narary teo ny loha, Fa ny Akoho no tonga aloha. Tetsy akaiky tetsy i Fody, Niandriandry an-dRamazoto hody. Fa ny tsy mahazo hono re no betsaka. Lanin'ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-iraka-rambolamanana/kajikajy
KAJIKAJY
NY IRAKA RAMBOLAMANANA
KAJIKAJY Telo ampahefatry ny vola miditra ato No kajy hasarantsika ny fiainan-jaza mianatra; Zanaka mahay sy mba hendry no filamatra: Io asako io ihany no enga anie tsy hiato ! Aleo ny ankizy hanorina ny fiainany any aoriana Mba hisy antotam-bola hobataina sy hampirimina Hahazoany izay hiriany, na inona na inona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-tena-mpanao-tononkalo
Ny tena mpanao tononkalo
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny tena mpanao tononkalo mikalo, Ny zava-drehetra izay hita mibary. Vonon-kanandradra sy hikolokolo, Ny hasin'ny olona sy ny zava-boahary. Ny tena mpanao tononkalo mazaka, Mijery ny haratsin'ny fiaraha-monina. Tsy mijery mandatsa na koa manenjika, Fa mitondra vahaolana sy fanatsarana. Ny tena mpanao tononkalo t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randriatsitohaina-lameric/ny-eva-dia-eva-foana
Ny EVA dia EVA foana.
Randriatsitohaina Lameric
Ny EVA dia EVA foana. Tsy fidiny ahy no nitia anao. Moa ianao tsy mba nitsotra. Hoe : efa manambady ianao. Ka lasa setroka mipololoitra. Natolotrao ny tananao. Dia noraisiko avy hatrany. Tsy haiko akory izay momba anao. ‘Zaho koa moa tsy nanontany. Ka niaraka teny foana. ‘Zaho nanantena sipa tsotra. Hay ny E...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/misaotra
Misaotra
Ny Avo Elabakaka
Misaotra akia malala a! misaotra anao indrindra, nanaiky hampahalala, ny fingotra hampandringa, anatin'ny fitiavana,.... Misaotra koa malala a!, afaka nanoratra, singana tantara, anaty diarim-poko, misaotra nampahalala fa mira ho toloko, raha sendra tsy voakajy, ny miaina sy mitia, Ka misaotra e, misaotra m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fombako
FOMBAKO
Fredy Jaofera
FOMBAKO Fombako ny mitady ny sangisangintsika rehefa mafy ny ady tsy hay omena bika. Fombako ny mihira 'reny fahatsiarovana rehefa be ny viravira mila hahatorovana. Fombako ny miaina 'reo tantara an-tsary rehefa hita fa ilaina hampihinam-bary. Fombako ny mijery ny soratsoratra avy rehefa mahazo fery sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-lalako
Ny lalako
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny lalana hombako dia ny faharatsiana, Be fahavalo tsy maintsy asiana. Isan'izany tsy maintsy hiadiana, Ny hakanosana sy ny fahakiviana. Nefa tsy maintsy mizotra fa izany no didy, Tsy maintsy misotro na dia hita mangidy. Efa nofanina ka tsy an-kiantso tody, Satria efa voaomana ny fanafody. Ny lalana hombako dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/hono-hoy-aho-ry-olona-iraika-iny
HONO HOY AHO RY OLONA INY?
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Hono, hoy aho, ry olona iny, Inona indray ary ity fihetsikao? Ohatra ny taloha ny ankehitriny; Tsy miova mihitsy ny tonta ho vao. Hono, hoy aho, ry olona iny; Misy ny fotoana, mety mifamaly. Mahavariana fa ny niseho fahiny, No indro miverina hatry ny omaly. Hono, hoy aho, ry olona iny, Voahevitra tsara ve ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-mamakafaka
RAHA MAMAKAFAKA
Fredy Jaofera
RAHA MAMAKAFAKA Raha mamakafaka dia ny olona nizaka, nahalala faharesena tsy nisy famonjena, nahazo fahavoazana fa tsy fahombiazana, nandalo adin-tsaina toa tsy hay lazaina, voavelively ratra hita ho izaitratra, nitolona mangina tao anaty fihafiana, tao anaty ranomaso mbola be an-kaso, tao anaty alahelo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kely-tsara
KELY TSARA
Fredy Jaofera
KELY TSARA 'Zay kely tsara taminy no ahatsiarovako azy, na hita fa tsy maminy ka nijaly toy ny sazy. 'Zay kely tsara taminy no ventesiko eto izany, na dia tsy voalaminy 'reo sento sy tomany. 'Zay kely tsara taminy no nanetsika ny tanako, na hafa itony daminy sy nofy ny fiadanako. 'Zay kely tsara taminy no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mab-tandremo-ihany-e-
MBA TANDREMO IHANY E!
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Mba tandremo ihany e ny aloaky ny vava! Fa mety mandratra izay rehetra mihaino; Indrindra raha mipoaka sy miverina lava. Mba diniho sy fanteno ary koa saintsaino. Mba tandremo ihany e ny fihetsika aseho! Eny imasom-bahoaka fa maro ny mpisehatra, Manaraka akaiky izay rehetra hiseho. Tsy misy aza foronina ka ny mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/vehivavy
Vehivavy
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Fa raha samy hiloka ihany, Amin'ny fiainana eto an-tany. Satria tsy te ho diso fanantenana, Dia aleo vehivavy no tohanana. Moa koa tsy te ho sasa-poana. Sao ho lany revy ny hasasarana. Ny paosy tsy atokisana, Ka aleo maka vehivavy hatao mpitantana. Mba ho mandry ny eritreritra, Ho voatsinjo ny rehetra. Ny fia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-iraka-rambolamanana/dadany
DADANY
NY IRAKA RAMBOLAMANANA
DADANY Miasa i Dadanao ? Tena ekeko izany ! Fa mba fantatrao ve ny tranga iainany any ? Tsarovy sombinaiko ! Kitapo kely iny no entiny am-babena; Sakafony am-piasana ! Tsy misy laoka "hena" Fa anana tsotsotra izany no mahatonga ny hoe Miasa ihany i Dada fa tsy mety ho botrabotra ! Ny akanjo anaovany any Tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/ho-haiko-va
Ho haiko va?
Antsa tononkalo.R
Hoe, tsy tiako intsony, Ianao? -Ho haiko va? Ataoko ahoana ny handia ny maraina vaovao ka hiaina sy hanimbolo ny hanitry ny voninkazo? Raha tsy ho tiako intsony, ianao, voninkazo raha teo. Ataoko ahoana ny hitia ny hirahiran'ny tontolo raha tsy ho tiako intsony, ianao, ilay nataoko ho sarivazo voro-mira tsa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/poeta
POETA
Randja Zanamihoatra
Poeta! _ Raha mbola tsy àry akory ny vatanao malia No efa niantso anao ny sary sy ny hira; Manakoako loatra ny fiainanao satria Fihaonan'ny "mahery", akaiky sy andakira _ Ianao Poeta irery no manana fanahy Raha saina monja ihany no entin'ny rehetra Fa ankoatr'izao misaina, mitia sy manahy Dia mbola misy "iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hosiky-ny-fo
HOSIKY NY FO
Fredy Jaofera
HOSIKY NY FO Ny hosiky ny fo, mamy lalandava, azo antoka fa to ka manavatsava. Ny hosiky ny fo, mivetso ny fitia, tsy inoana ho lo, na aiza, matokia. Ny hosiky ny fo, monina ao anaty, tsy mba very zo Ny hosiky ny fo, harena sarobidy, na inona manjo, na inona safidy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-valin-kasasarana
NY VALIN-KASASARANA
Fredy Jaofera
NY VALIN-KASASARANA Ny valin-kasasarana dia ny voa notoazana mivatsy fandaharana feno fahombiazana. Ny valin-kasasarana dia valim-paharetana tsy mandia fiakarana fa be hafinaretana. Ny valin-kasasarana dia tsy ho very maina fa hamoha ny anarana rehefa tsy antenaina. Ny valin-kasasarana, na ahoana na ahoan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tadiom-pitia
Tadiom-pitia
Nalison Randrianaivo
Tadiom-pitia Sendra tadio mahery vaika No nifaoka ilay hasambarana Fotoana fohy, minitra vitsy Dia foana teo ilay tsikitsiky Fa na ianao aza tsy hitako Ny feonao aza tsy rehiko intsony Toa nihevitra aho hoe nofy Nofy ihany izao hiainako izao Saingy torovana ihany aho Satria tsy nahita tsy nahare anao Sendra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-iraka-rambolamanana/ny-ankizintsika
NY ANKIZINTSIKA
NY IRAKA RAMBOLAMANANA
NY ANKIZINTSIKA Ireto ankizintsika ireto Dia manantena dingan-dava Lavitr'ezaka mahàna, Te-hisongona an-dRapeto. Ao ireo jiolahimboto Te-hantsoina hoe : "maditra" Dia reboka mitotototo Mikatsaka ny tranomaizina, ka miomana sahady; Ary etsy am-bodirindrina No manao sarin'ady, manontany ny lalàna sy sasa-mia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tamberim-pitia
Tamberim-pitia
Nalison Randrianaivo
Tamberim-pitia Taona maro lasa izay Ny nandaozanao ahy Lasa fery ato anatiko Ka hila tsy ho tantiko Indrindra ilay fotoana Nisantaranao ny vatako Dia tsaroako foana Ary tena tsy ho zakako Rehefa injay mitamberina Ato an-tsaiko sy ao an-dohako Dia tsy mety ho hadinoiko Voatsiahy sy Voatsiaro Ireny fitia mam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/anatra
Anatra
Nalison Randrianaivo
Anatra Anaka Aza raisina akory hoe tsy fitiavana izao Fa tena fitiavana matoa aho miteny anao Satria ny hendry ihany hono no hanarina Hanarina tsy ho any an-kady no hivarina Atoro sy ahitsy amin'izay tokony ho aleha Mba ho soa fianatra raha hatr'izay lehibe Tsy tiako ianao anaka hijaly any aoriana Tsy tiako ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sakaiza-manody
Sakaiza manody.
Nalison Randrianaivo
Sakaiza manody Izao lesy ry Sakaiza Isika roa lahy mpinamana Samy tia fihavanana Nifandray am-po tokoa Toy ny mpiray tampoa Nifampihinana ny manta Niara-nihosina sy ory Kanefa tsy nampoiziko akory Hoe ialahy no nivadika ahy Sahy aloha ialahy ka sahy Ilay rohy mba nampitohy Lesy dia tapaka no ho ialahy Ka m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/raha-ianao-no-lasa
Raha ianao no lasa
Nalison Randrianaivo
Raha ianao no lasa Izaho tsy handatsa Sitrakao no atao Safidinao ny handao Ka mahaleova mahalasana F'izaho koa tsy hitana Tsy noterena ianao nitia ahy Tsy notambazana ranadahy Ka ny tianao no toavina Dia etsy mahità izay tadiavina Malalaka be ny lalana Mivoha koa ny varavarana Raha ianao no lasa Vetivety d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/izay-ho-anjarako
IZAY HO ANJARAKO
Hanitr'i NP
Te hiteny aho,te hilaza Hoe tsy tiako intsony ianao, Nefa toa lelonn-jaza, Mantsy tena tiako tsotr'izao! Te hangina aho,te hianjona Tsy hisaina intsony ny aminao, Nefa am-poko ianao no tanjona, Tiako hiaarana hatrizao, Te hiantsoraka aho,te hiantsampy, Hikipy,tsy hisaina izay hiafarany, Nefa tsy mba manana ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-azonao-sakanana
TSY AZONAO SAKANANA
Fredy Jaofera
TSY AZONAO SAKANANA Tsy azonao sakanana ny foko mbola hitia rehefa mba nanana ny tanjona ho doria. Tsy azonao sakanana ny saiko hieritreritra rehefa mba notanana izay ho tena hevitra. Tsy azonao sakanana ny soratra mba hiato rehefa nananganana ny efa tsangambato. Tsy azonao sakanana ny ainga hisy foana r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/ho-avy
HO AVY
dafa
Angamba ora sisa no hisaina dia hisaraka isika sy ianao. O !! ry nofoko be taraina modia ho vovoka ianao. Ry fiainana antany tia hetraketraka, mpisangy ny nofo malia. Ity ny vatako izay efa reraka alaivo ho anao ho doria. Koa matesa ry nofo bakora mandria , mandria mandrakizay. ary ndehana fa tonga ny ora mo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ala-nenina
Ala-nenina
Nalison Randrianaivo
Ala-nenina Na lavitra aza no misy anao any Ekeko na dia tsy hitako aza izany Fa anio aho tsy maintsy tonga any Mba hifona sy hitalaho farany aho Mba hiangavy raha mbola azo atao Omeo iray minitra fa mbola tia anao Tsy ahoako intsony ny ali-mangina Tsy ahoako akory izay ho farariana Tsy rehiko akory izany fangi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitiavani-neny
Fitiavan'i Neny
Nalison Randrianaivo
Fitiavan'i Neny Hafa ihany ianao ry Neny Tia mibedibedy sy miteny Tia manoro sy mampianatra Tia mikapoka sy mananatra Fa raha misy mahazo anjanakao any Dia indro ianao fa tomany Satria tianao izahay ry Neny Ka tsy mba sasatra ianao miteny Ny fitiavanao dia hafa mihitsy Raha misy ditranay ianao tsy mitsitsy F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vantany
VANTANY
Fredy Jaofera
VANTANY Vantany vao kamboty ny fo tsy hay ambara dia tsy mba afa-nioty ny mamy fa voarara. Vantany vao sahirana ny saina niady loatra, tsy nanan-kifikirana ka tsy afa-nivoatra. Vantany vao nandena 'reny oram-batravatra dia tsy ny famonjena no tonga fa ny ratra. Vantany vao nipoitra ny mafy 'zay tsy zaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/olon-tiako-vaovao
Olon-tiako vaovao
Nalison Randrianaivo
Olon-tiako vaovao Izy no izy, efa fantatrao? Izy no olon-tiako vaovao Ilay taloha ve? Efa nisaraka izahay Nampirafy ahy mantsy izy Ka tapaka teo ny anay Izy no izy, fiainam-baovao Ny anarany ve? Tianao ho fantatra? Jereo ny endriny dia ho fantatrao Na mety raha ataonao atsapaka Fa izy ilay olona nisolo toeran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bien-aime/foko-mahantra
FOKO MAHANTRA
Bien aime
Fa maninona ianao r'izato foko no malahelo lava toy izao ? Tsy mba misy tsara loko izao voaary rehetra izao Fa toa maizina aminy avokoa na ny tara-masoandro mibaliaka Raha oviana re no hifoha itony sambo tsy tafita ? Asa....izao angamba no anjara sa mbola hisy ny anao tokoa ve ny any any afara ? E (...) tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mahalal-tsy-tiana
Mahalalà tsy tiana
Nalison Randrianaivo
Malalà tsy tiana Rehefa tsy tiana aloha dia mipetraha Ary aza mifandrebireby kely azafady Sa ianao vehivavy fa tsy tena lehilahy? Sady izaho koa izao efa hanambady e Ka aoka tsy hifanadala fa mandreraka Malalà tsy tiana ary mahaiza mipetraka Tsy ny ranomaso ararakao amin'ny tany No hampiova ny foko, toa nofinof...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tia-anao-izy
Tia anao izy.
Nalison Randrianaivo
Tia anao izy Matoa izy tsy mbola nandao Fa miaritra izay ditranao Tiany ianao tsarovy izay Saingy asakasakao Fa noho ianao ihany mantsy No nandeferany toy izao Kanefa tsy ho mandrakizay Misy fetrany ihany koa Ny zavatra atao rehetra Na ratsy na tsara izany Ny aina koa anie manam-petra Sy miserana ihany Koa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tara-loatra-ianao
Tara loatra ianao
Nalison Randrianaivo
Tara loatra ianao Efa folaky ny ratsy natao Izay ve vao tonga saina ianao? Hoooo, Tara loatra ianao noho izany Fa izaho aza efa sambatra koa Efa manana ny tiako sy tia ahy Efa migoka teny mamy Efa mihanoka fiadanana ihany koa Tsy amin-tebiteby sy ahiahy Teo anilanao aho natositosika Nahilikilika tahaky ny ino...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/...-ilay-tena-tia
... ILAY TENA TIA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
... ILAY TENA TIA Naratra ianao naratra voadona ka voadona voalatsa dia voalatsa, tamin'ny teny tsy tsaroana Niaretanao ny mafy niaratenao ny ngidy nefa ilay fitiavany niantefa tamin-drafy? ianao tsy nanana safidy ka natahotra ny vavany ireo hetraka fitia izay nolalovanao ianao ilay tena tia no toa zary k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/takariva-amoron-drano
Takariva amoron-drano
Nalison Randrianaivo
Takariva amoron-drano Malala a, Tadidinao ve? Ilay tery amoron-drano Ilay indray takariva iny e Dia ianao niventso tononkalo Sy nitantara angano Tadidinao ve iny? Dimy taona lasa tokoa izay Izay tsaroana ankehintriny Ilay ianao nanoroka ahy Natahotra fahiny Dia zary fihomezana sisa Rehefa aty aoriana aty I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-hasinny-teny
NY HASIN'NY TENY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
NY HASIN'NY TENY Ny teny no hajan'ny tena ka ilàna fandanjalanjana raha ny teny no harem-pirenena Dia ny tsipeliny no aza simbàna raha ny teny no hasin'ny tany dia masina ny tanindrazana fa ny tena mahalasa vinany ny hakanton'ity tenindrazana Ny teny e, no kanto firindra tao ny aingan'irony poeta ny teny no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ankihibe
ANKIHIBE
Fredy Jaofera
ANKIHIBE Aleoko ho ankihibe no safidy tiako indrindra fa izay no mampandeha ny lamina sy rindra. Aleoko ho ankihibe no rantsana hofantenana fa dia taona maro ange, azom-panenenana. Aleoko ho ankihibe no toerana hay tazonina fa tsaroako foana re ny eso noforonina. Aleoko ho ankihibe no metimety ny fanahy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/sipa-tambanivolo-2
SIPA TAMBANIVOLO 2
Zoky Eric
Ny sipa tambanivolo No sipa zatra miafy Tsara taiza sy voakolo Tsara bika sy fitafy. Ny sipa tambanivolo Sipa mendrika famindra Kanto ery ny tontolo Tsara lamina voarindra. Ny sipa tambanivolo No sipa zatra mihary zatra ny mitao-milolo Rehefa iny manao vary. kinga mailaka mamboly Manatsatok'ilay vary Efa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/aza-mitetateta
Aza mitetateta
Sento tokana
aza mtetateta re ka zavatra tsy hahy no andramana mba jereo anie e ireo efa nahazo ny namana. Aza mipingapina Ka amin'ity tongotra ila no ndeha hamindra Jereo ireo maro fa efa solaka Aza andramana intsony fa tsy ahafaka. Aza morat taitaitra Ka ianao indray no ho taraiky Fantaro ny atao fa, aza mitetateta ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rahalahy
RAHALAHY
Fredy Jaofera
RAHALAHY Tsapa ho rahalahy amin'ny andro rehetra ny tena sakaiza, mijoro ho mpiahy tsy misy fepetra, na aiza na aiza. Tsapa ho rahalahy amin'ny fotoana mahory mahabe tomany, miamboho ahiahy no tsy hita akory ho be vinany ! Tsapa ho rahalahy amin'ny ora manjombona tsy hay tantaraina, hita ho mahasahy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsara-indrindra
TSARA INDRINDRA
Fredy Jaofera
TSARA INDRINDRA Ny fitiavana no traikefa tsara indrindra eto an-tany : mampihavana ka mandefa sy mamindra ny hatsarany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/nitady-fahanginana
NITADY FAHANGINANA
Sento tokana
Nitady fitoniana, nizaha fahanginana Ka sedra aizina tsy azo idifirana Nanantena fifaliana sy azavana Nefa indrisy, fa nilaozan’ny hafanana Tsy fidiny ary tsy sitra-po Izany mba mitady fifaliam-po Tsy nisafidy handao, Fa zava bita tsy voatandrina. Mba satry ary hitoy ny lalao Fa diso safidy tanaty atsirambina....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/be-siasia
BE SIASIA
Fredy Jaofera
BE SIASIA Ny olombelona be siasia fa ny Ray dia tsy miova : mambomba ny tena fitia mbola izao anjara lova. Ny olombelona be siasia fa ny Ray dia vatolampy azo antoka fa tsy hikodia sy misy toky tena ampy. Ny olombelona be siasia fa ny Ray dia fiadanana mameno ny ora ho doria hampirindra fihavanana. Ny olom...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-tia
MISY TIA
Fredy Jaofera
MISY TIA Misy tia mahita anao manahy, miriaria vao voa 'ty fanahy ! Misy tia mahita anao mijaly sy minia mangina raha mifaly. Misy tia mahita anao mivena ka mahia vao tojo fandresena. Misy tia mahita anao mianjera ka handia ny taona mangorera.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/ny-vehivavy
NY VEHIVAVY
Teboka Telo
Be 'reo milaza sy miteny Fa ny vehivavy na manangy No atao hoe fanaka malemy! ... Ka raha miangoty sy misangy, na misy zavatra tsy ekeny Dia tampenam-bava tsy hiteny!!! Lazaina koa fa izy reo: Olon'ny fo, mora mangoraka,... Ka raha sendra mba maneho Ny hevitra mba tiany haboraka Dia sakanan'izy mianakavy Fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ianao-ihany
IANAO IHANY
Fredy Jaofera
IANAO IHANY Ianao ihany no ilaiko ho doria hitondra eto izany ny tena fitia. Ianao ihany no iriko mangina hivoy any ho any ny nijaliana. Ianao ihany no mamiko foana hampiova ny tany tsy ho saona. Ianao ihany no toky tadiavina tsy hanan-tomany ny diavina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bien-aime/fody-very-anala
FODY VERY AN'ALA
Bien aime
Vodilanitra mangirana Masoandro an-dranomasina toa zavona miserana,mijotso mirefarefa Rafilahim-posa ny vatan-kazo hianihana,ka hamaha fifkirana Fa Railovy lafatra,tsy lanaka maningotra ;volo an-tampon-doha no hela-belo-miantefa Vintsy tsara sanga,lava molotra miantso amin'ny feo mankafy,hampisy resaka irony akany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rano-raraka
RANO RARAKA
Fredy Jaofera
RANO RARAKA Ny rano efa raraka ka aleoko miaraka amin'izay mahasoa no tadiaviko aloha. Ny rano efa raraka ka aleoko misaraka fa na te hanazava, tsy ho azony lava. Ny rano efa raraka ka aleoko mihataka, tsy hihaona intsony fa tsy hampitony ! Ny rano efa raraka ka aleoko miravaka an'izay zava-tavela afaka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bien-aime/ilay-rafinao
ILAY RAFINAO
Bien aime
Malala a ! Etsy mba henoy aho.... Na aza tsy ho lazaiko Nefa tsy maintsy ho fantatrao ihany Ka sao ianao hanontany Dia tsoriko eto androany fa misy any ho any, misy rafinao Ilay tiko toy ianao Izay tsy haiko ho simbaina tsy sahiko ho ratraina na koa ambaniana ny fisiany..... Ka mandraka ankehitriny Mbola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bien-aime/anjara-ve
ANJARA VE....?
Bien aime
Amiko ! Ezaka ny fiainana..... Tsy mila anao be taraina Fa mila mafy ny fisainana Anjara ve....? Tsy ekeko ny fisiany... Fa ny dinitrao miraraka Ampiana fiaretana No ampy handoko sy handravaka Fa tsy akory,fo ,fanahy,fiforetana Fa raha ny kianjan-draoziraozy fiantsana tononkira Nandrontsan-dranomaso fa...s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/matory-maty
"Matory maty"
Antsa tononkalo.R
"Matory maty" Matory maty ny nofo efa revo ny torimaso mangitsoka lalina mandry ao anatin'ny nofy mandrevo nofy tsy hifarana andro aman'alina. Tsy mba somparan'ny masoandro indray ary tsy hiandrasana alina akory ny nofin'ny maty dia mandrakizay matory maty, ny maty matory ! Matory maty ny nofo efa jamba tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ialahy-no-heriko
Ialahy no heriko
raozigasy
Tsy niasa aho leitsy androany , fa maina ny tsena Tsy nisy « batelage » ireo mpivaro-kena Ireo « quincaillerie » tsy mila koa « docker » Ireo taxi-brousse efa betsaka mpanera Hafa ny taloha hoe manao « porté madame » Na hoe miandry fiara, dia miasa mba milamina Na mitaona zezika dia manao zaridaina Dia mahazo ji...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredi/tiko-rzh
Tiko RØzâh
Fredi
RØzâh babonao zaho malala ny fitiavako anao mafana fa tsy mety mamanalah, na maro ny tsara enao hafa iany, tokana nambabo ny foko atrizay To love my cher mon amour!! Ra manalavitra ahy enao de zaho otrany adala, fa ra eto anilako enao dia zaho tôh falifaly ity tononkalo natokako ohanao de ny ato apoko tsisy hafatry...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.e/fitia-voarara
FITIA VOARARA
R.E
Nahoana moa isika no tsy navela iara-dia. Ary norarana an-tery setra mba tsy hifankatia. Ireo lehibe mantsy no avy hatrany dia nandrara. Dia aleoko tsy tohizana fa izay no efa anjara. Tsy aiko ny hanadino ireny lasantsika ireny. Ka mamisavisa sisa sy mangina tsy miteny. No mba azoko atao rehefa mahatsiaro. Ka ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/8-mars-2019
8 mars 2019
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Ry vehivavy, ny andronao anio! no andro lafo vidy koa araraoty sy ifalio fa tena sarobidy ary tokana aman-taona ka aza avela himaona ny andronao anio no manambara fahafahana ka zonao ankehitr'io no miaina ankalalahana mahaiza miala sasatra f'ity no andro fatratra dia miarahaba ny vehivavy rehetra nahatratr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankanto-ny-fitia/eto-eto-amoronny-hariva
ETO
Riankanto Ny Fitia
ETO Eto amoron'ny hariva Mampanembonembona aho No mibitsibitsika iva Sy mikalokalo anao, Ry olo-mamiko tsy foiko Nefa lasana tsy niera, Mbola injao tsaroako Ireny tsikinao nianjera... Eny, toy ny vao androany Ireny dinantsika ireny Saingy indrisy fa tomany Sisa reko ombieny ombieny! Angamba niofo ny hasamb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mba-henoy-ihany
MBA HENOY IHANY ...
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Mba henoy ihany ny rivotra mitsoka, Manafosafo mora izao tontolo izao; Misy hafatra ampitainy, toy ny sioka manavatsava ao am-poto-tsofina ao. Mba henoy ihany ny vorona misioka, Eo am-baravarankely vao maraina; Mamoha moramora an-dritsoka malefaka ho an'ny ho avy hatsaraina. Mba henoy ihany ny vanja mitsefotra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/izaho-sy-ianao
IZAHO SY IANAO
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Izaho sy ianao niara-dia, Ampolo-taona maro. Mpianadahy, mpinamana, Lazaina koa mifankatia. Tsy nifankafoy, nifampiaro, Amin'izay rehetra namana. Izaho sy ianao niara-niezaka, Nanavatsava ny fiainana; Lalan-tsarotra no nodiavina, Nilofo mafy tsy hifezaka. Nikaroka fotoana isainana, Mba hahazo izay tadiavina....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/lesonny-fiainana
LESON'NY FIAINANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Raha iny mipetraka iny, Ka mitodika ny lasa; Lasa ihany ny fisainana, Mamisavisa ny fahiny. Ny tontolo sy kinasa, Vesatra ny adidy niainana! Raha sendra mamindra iny, Lavitra ny lalan-kaleha; Mitamberina tsy zaka zakaina, Ny ziogan’ny fanomezan-tsiny. Avy amin’ny mpirehareha; Ka mandemy ny fo sy saina. Raha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/ho-avy
ka ho antsa sa ho hira...
Antsa tononkalo.R
Manan-kambara va ianao, amin'izato takariva, ry fanahy manirery manan-kambara va ny foko, ô ry foko toa madiva... Amin'izato haizim-pito sy ny alina mahavery ka ho antsa sa ho hira, amim-peo miritsok'iva no hoforonintsika ho azy, tononkira manahoana no hitsimoka eto anio, amin'aizana mahory ? velovelon-tononkira ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bien-aime/ekeko
EKEKO....
Bien aime
Raha mbola ra velona koa no fikoriana Ny havandran-danitra ankandry no mpisompa-pifaliana ! Dia manaiky ah,ekeko hoe babo ry tiana Feno anao ny any anatiko any ,fanahy fitiavana,tsiarom-pofitokiana Ekeko fa anjelin'ny habaky ny tazako mahalasa adala Ekeko hoe,tsy karazam-borona mpilalao ankaizina ny voromailala F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredi/rzh-malalako
RØzâh malalako
Fredi
RØzâh na maro ny tsara enao tsy atakalo enao leh tiko safidiko tao anaty ny maro... Chr enao leh nambabo ny foko atrizay, sanatry enao ra ho soloko, enao iany le nanaitra ny saiko, ka tsisy masolo anao ra mbola eto antany.... Pisoh na mifanalavitra aza isika de zaho tsarovy fa ny fo tsika roa, mirary iany tiko enao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsiaro...-malala-a
TSIARO...!
RRAG
TSIARO...! (MALALA A! .... 1 Febroary 2018) Tsy tefy ianao tsy zaitra, fa volavolan-tany, rafi-tanimanga, vita tsara kaly. Sombin'ity aiko, ny aina ao aminao, malala a! Tsy ary ianao moa hisy izaho? Tsy mendrika akory, ny ho ary raha izaho, raha toa anie malala ka, tsy hisy avy ianao. Tsy satriko ny ho velona, i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankanto-ny-fitia/fanafodiko-semporinny-o
FANAFODIKO
Riankanto Ny Fitia
Semporin'ny onja mitopa mahery, Somparan'ny rivotra mafy fitsoka Ditsoka ho azy ny maso mijery Mijaiko famindra, manahy ny ho dotra Singorin'ny rantsan'ny androny omaly, Samborin'ny sisa sy sombina tsiahy Misento mangina tsy afa-mifaly Ny fo sy ny saiko ary koa ny fanahy Kanefa banjiniko ny andro somamby Tarat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredi/rzh
RØzâh
Fredi
Tiko mandrakizay enao ry malala, ny fitiavako anao mbola ampina fa tsy analana RØzâh..... Tena tiko tontolonao, na ambony na ambany, ary ra tarafina ny ato apoko de tsisy afatsy enao iany..... Enao leh nandalo nanaitra ny foko, sanantry enao ho ariko na ho soloko, babonao tanterako zaho ry malala..... Enao leh mami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/iny-raozy-mena-iny
INY RAOZY MENA INY
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Iny ilay raozy mena iny, Izay natolotra ho anao; Vao niotazana maraina. Tsotra, meva, tsisy tsiny, Anefa tena tsara kalitao, Mambabo fo sy saina. Raozy fambara fitia, Singa tokana ihany. Mitondra hafa-dehibe, Tamin'olon-tena tia; Matotra, tsy be vinany, Amin'izay rehetra aleha. Raozy mena tsara fantina, Ta...