url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/hiantoraka-aminiza | hiantoraka amin'iza? | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | HIANTORAKA AMIN'IZA,
Hiantoraka amin'iza
ianao ry foko efa resy
hiantsampy ireo sakaiza
izay efa mahay mandrefy
ny resaka fitia!
sanatria dia sanatria
Hiantoraka amin'iza
ianao ry foko adaladala
hisarongotra sakaiza
minia tsy mahalala
ny hasarobidin'ny fitia!
hialao sao sanatria
hiantoraka amin'iza
ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tiako-loatra-ianao-mamiko | tiako loatra ianao
mamiko | lain's rakoto | tiako loatra ianao
mamiko tsy foiko
efa safidy ny foko
ka aza avela itoloko
ry vadiko tsy foiko
voafotomboka ato an tsaiko
ianao irery re ry aiko
mpamelona ahy iaina
tsy namela hitaraina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/fitiavan-dreny | Fitiavan-dreny | Ikalamako | Rahampitso maizim-bolana, hoy i neny taminao
Hanainga antsokosoko isika, haka sambo ka handao
Ity tany feno ady, ravaravan'ireo baomba
Handositra any lavitra any, hanovo fiainam-baovao.
Onja be, haizim-pito, sy ny sisa, nosedraina
Hafanana mahavalalanina mila hahafaka aina
Ilay vary iray fonosana natao vatsy efa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankanto-ny-fitia/ambohimpamoizana-eto-no | AMBOHIMPAMOIZANA | Riankanto Ny Fitia | AMBOHIMPAMOIZANA
Eto no hodorako
ny diary mitahiry irony angotiny fahiny,
eto no hamongorako
ao an'eritreritro ao iny tara-tsikiny iny...
Haleviko eto koa
ny feony malefaka nipaka tany anaty,
hongotako ao am-po
ny voady manodokany kanefa hay poak'aty...
Eto no hamotsorako
ny tanany mizizo hamikitra ny tanako,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/malala-a | MALALA A! | RRAG | MALALA A!
Mbola tsy ary akory, izaho sy ianao,
dia nisy laha-piainana, voasoritra ho antsika.
Mbola iny lalana iny, no dia hatramin'izao,
ka rariny dia rariny, raha toa nifankahita.
Nifamboraka fitia, nifampizara mamy,
dia indray niara-dia, toy ny tsy teto an-tany.
Nanorina tontolo, miavaka sy kanto,
ilavi-tset... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankanto-ny-fitia/mpandalo-dify-efa-ela-ny | MPANDALO | Riankanto Ny Fitia | MPANDALO
Dify efa ela ny tara-masoandro
nanaingo ny tampon-kavoana tety,
Ny fo nanantena hafaliana, kinanjo
nanjahatra foana, namoy ny fitia
Mantsy ny antsika ny diary efa may
ka lavenona sisa mamovoka etoana,
Efa maito ny rohy hany nampifandray
ny rojom-pitiavana izay mba navona
O, aloka foana no sisa tavela
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/sifotra-sa-sokatra | Sifotra sa sokatra? | Laharthe | Sifotra sa sokatra?
Moa va re sifotra sa kosa sokatra
No osa famindra tahakan'itony
Ny fanadinoako ny lasa nisompatra
'Zay mbola mitsiry sy mitady hamony?
Ny taona kanefa miroso eny foana,
Ny ora sy ny andro misosa misosa,
Kanefa ny lasa dia mbola tsaroana
Mantsy ny fanadinoako toa votsa.
Maisatra ery fa malai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankanto-ny-fitia/embona-mipololotra-mirar | EMBONA | Riankanto Ny Fitia | EMBONA
Mipololotra miraraka etoana
Ny senton'ny foko tsy haiko toniana
Raha mahatazana iretsy havoana
Nilaozan'ny tara-masoandro mangina
Ny lokon'ny lanitra e manganohano
Toa volamena madio sady soa
Fa ny tavako kosa no toa vonton-drano
Mahatsiaro ilay tany mamaka ao am-po
D'ilay tany nitaiza ny fahazazako
Ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riankanto-ny-fitia/aretina-itovizana-misent | ARETINA ITOVIZANA | Riankanto Ny Fitia | ARETINA ITOVIZANA
Misento mangingina tsy misy mahatsikaritra
anaty takariva miampofo fahatsiarovana
ny tenako amin'izao,
mibanjina ny volana feno avona, mangarika
amin'ny maso toa mipitra efa diva ho torovan'
ny alahelo anao...
Ny eto koa saforan'ny tsiaro madidîtra
raha mandre ny orana milatsaka any ho any
ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tao-tokoa-moa-izany | TAO TOKOA MOA IZANY... | RRAG | TAO TOKOA MOA IZANY...
Tao tokoa moa izany, ry rafi-tsoratra miteny,
no notsongaiko sy nakako, vitsivitsy tamin'ireny,
nentiko nandrafitra, vetsovetso ho an'ny mila,
nentiko nanembona, ireo namako efa dila.
Tao no nisintonako, hevitra sy drafi-teny,
nandrotsiako fo tomany, gina tsy afaka niteny,
nolazoin'ny feri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy | TSY... | Fredy Jaofera | TSY...
Tsy ny tanako intsony no mba manoratra ho anao
na ny saina izay nandeha sy niarahana hatrizao,
fa ny foko malahelo toa tsy afaka milaza
‘ty kaloko eto ity, na dia mamy sy malaza.
Tsy ny vorona intsony no andrasako eto ihany
hanala ny ato anaty sy hamafa ireo tomany,
fa ny embona rehetra tsaroako mifamory,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tiako-ianao-3 | tiako ianao 3 | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TIAKO IANAO (14 febroary 2019)
malala a,
eto isika no hisambatra
hianoka ny mamy
eto isika no hitambatra
sy hibanjina ny ho avy
tena hampoka fitiavana
ny fo mitambatra ho iray
ka ho mari-pamantarana
ny fitiavako hatrizay
dia ventesiko eto imolotro
ilay teny nampiray
ary singan-draozy iray
sy teny mamy izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/kalo-iray | Kalo iray | MBL | Any misy kalo noforoniko ho anao,
Tsy tsaroako anefa fa ny apahany ihany,
Mitamberina ao ireo tsiahy sy ireo tomany
Ireo fitiavana niantefa tamin'ny fontsika sy ianao;
Ny andininy eny aloha mitory ilay fitia,
Ilay hoe¨tiako ianao, mandrakizay tsy ifandao¨
Samy manamafy itambatra ho doria,
Toa vita fatomaty raha ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/tsy-resiko-malla-reo-ts | Tsy resiko malàla reo ts | Ny Ela Nihetezana | Tsy resiko malàla reo tsiaron-tsika roa
Bosesika ao am-po
Na efa taminy lasa dia toa tadidy ihany
Fa tsy mba lefy izany
Ilay fiarahan-tsika tao anaty vola-tsinana
Izay nifamihinana
Lay tsika mody miady ,avy eo misangisangy
Tsy lefy fa mamangy
Ianao lay mila vaniny,ndraindray midongidongy
mifampilongilongy
Ant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/androany | ANDROANY | Fredy Jaofera | ANDROANY
Androany vao nitsiry
'zay hany voa nafafy
notondrahana impiry
sy nantenaina mafy.
Androany vao namoa
'lay hazo nambolena
nanalokaloka taloha
sy tsy nisy nojerena.
Androany vao niseho
'lay tara-pahazavana
nanova teo no ho eo
ny lasa ho hatsarana.
Androany vao nijoro
ny potiky ny varatra
ka very n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/fiangaviana-farany | FIANGAVIANA FARANY | dafa | FIANGAVIANA FARANY
Andro fahafito tsy nahitako anao izao ny andro androany
dia hiherina io rahampitso.
Fa anio ihany koa no alina fahafito handatsahako tomany
sy mbola hampitsonika ny vongan-dranomasoko.
O !! ny alahelo anao tsy tantiko....
Any ianao antratrany any,
fa izaho kosa eto sakaizana tomany.
Impiry na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ianao-ilay-poeta | IANAO ILAY POETA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | IANAO ILAY POETA
ianao ilay poeta
zatra soratsoratra
ianao ilay poeta
tia manoratsoratra,
ny ainga ho tonga kanto
ka manoratra tsy miato
ianao ilay poeta
zatra famoronana
ianao ilay poeta
manam-pahavononana,
hanandratra ny teny
hitaiza ho solon-dreny
ianao ilay poeta
miaina am-pahatsorana
ianao ilay poet... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/adalam-pitia...-adala-an | Adalam-pitia...
Adala an | Ny Ela Nihetezana | Adalam-pitia...
Adala angamba ianao, hoy ianao nitrerona ahy
Rehefa izaho mba niezaka, nitory ny fitiavako,
Natosikao impiry koa kanefa mbola sahy
fa izany foana mantsy,no masaka ao ambavako
Naveriko ihany anefa, na tezitra tsy fantatro
Fa asanao any, handray na koa handà
Tsy maintsy ho lazaiko, izay fitia mba t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hamaivaniny | HAMAIVANINY | Fredy Jaofera | HAMAIVANINY
Aza manantena ny hafa
hahazo ny lalam-piainanao
raha mbola tsy nodiaviny
fa hamaivaniny re ny jafa
na tsy inoany tsotra izao
ka indraindray aza laviny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vehivavy-2 | NY VEHIVAVY | Fredy Jaofera | NY VEHIVAVY
Ny vehivavy
no taolan-tehezana
tamin'ny lehilahy
vao indro dia avy,
natao fanomezana
ho olona hiahy.
Ny vehivavy
no loharano soa
nampisy ny maro
ho mpianakavy
hitombo avokoa
sy hifangaroharo.
Ny vehivavy
no reny sarobidy
tsy hay atakalo ;
andeha lolohavy
fa nahavita adidy
ka asio kalokalo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ry-sakaiza | ry sakaiza | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | RY SAKAIZA
ry sakaizako fahiny
raha sendra an-dalana eny
ka hifanojo izato maso
dia iriko indrindra iky
raha maso tsy mivandra
no tazako aminao
sitraka eny telina
raha ny molotrao mitsiky
no atorakao ny molotro
ary aoka tsy ho tsiny
raha toa mangala-jery,
ny fidolanao milanto
Ampelatanan'olon-kafa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/manaiky-aho-fefa-resy-e | Manaiky aho f'efa resy e | Ny Avo Elabakaka | Manaiky aho f'efa resy e
Resin'ny hatsarana
sy ny bikanao maharenoka
ny fo am-panahy.
Ekeko ianao mpandresy e !
Mpandresin'ny hatsarana
ka mambabo ny ato am-poko
sy maharenoka fanahy.
Fa tsy misy toa anao raha mbola eto an-tany e !
Izay any an-danitra any,
asssa, tsy haiko izay anjely,
f'ianao aloha hatreto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saoly/mpimamo | Ilay toakako | Lemady | Io f'ao indray zokilahy, efa tena tompo-trano, anoloan'ny toaka sy ny tsaky keliny.
Efa zatra loatra angaha, fa toy ny hoe misotro rano, mamy ery raha ny fiteliny.
Ny endriny ihany dia maneho, ny antony tsy hafoizany azy, na ohatr'inona ny ho lany.
Fa izy raha niditra teo, kivy nilaozam-bazivazy, izao jereo "faly an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ilana-nofinofy | ILANA NOFINOFY | Fredy Jaofera | ILANA NOFINOFY
Ilana nofinofy
ny lalam-paniriana
vao tsy harofy
sy hahazo fifaliana.
Ilana nofinofy
ny ezaka ifaharana
vao, hoe, rakofy
ny voka-pisasarana.
Ilana nofinofy
ny tanjona ikirizana
vao, hoe, tohofy
ny tiana hotohizana.
Ilana nofinofy
ny tebiteby iainana
vao tonga hofy
arian'ny fisainana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manitsika | MANITSIKA | Fredy Jaofera | MANITSIKA
Manitsika no tiany
f'izany no talentany
nahabe ny fijaliany
ka narian'ny entany.
Manitsika no hainy
f'izany no nianarany
tsy tsapa ho novainy
hitiavana ny anarany.
Manitsika no lazany
nampihataka ny tena
ka izao re tsy tazany
fa zavatra tsy ekena.
Manitsika no heriny
tsy hiarahana aminy
ka mara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sora-tanana | SORA-TANANA | Fredy Jaofera | SORA-TANANA
Satriko hovakina
eto, na rahoviana,
'reo sora-tananao
nilaina tao ho ao.
Rehefa maloka iny
mila ho mpivahiny,
izy ange, ry tiako,
no zava-tsy ariako.
Rehefa manimanina
sy tsy hay tazanina,
mbola izy lalandava
no eto mampisava.
Rehefa sendra ory
na tsy mahita tory,
'reo soratrao daholo
no ity... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/rediredy | Rediredy | Jeankely Razafimamonjy | Hiala tsiny ve?
Hanenona sa hamboraka?
Raha mamo vao milaza hoe ...
Tiako ianao.
Tsy fasahiana ve?
Sa diso raha mitoraka?
Ireo teny am-poko te ...
Hitoraka aminao.
Resy ve ny very tia?
Tsy maintsy hilelam-paladiha,
Hamoron-dainga lava izao?
Noho ianao.
Ataoko rediredin-toaka,
Ho fitia tsy mivoaka;
Eny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rahoviana- | RAHOVIANA ? | Fredy Jaofera | RAHOVIANA ?...
Rahoviana vao hohiraiko
ny hira tsara indrindra ?
Rahoviana no hantenaiko
'zay lamina sy rindra ?
Rahoviana vao hifarana
ny ady maro nampahosa ?
Rahoviana ho hasambarana
no hitobaka sy hiavosa ?
Rahoviana no handrotsy
'zany feon’ilay valiha ?
Rahoviana ho volafotsy
no handravaka ny dia ?
Rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/mazna-nofisiko | "Mazàna nofisiko" | Antsa tononkalo.R | "Mon rêve familier, PAUL VERLAINE",
Nofiko foana rehefa matory
Nofy hafahafa mazàna nofisiko
Ilay tovovavy tsy fantatro akory
Kanefa mahalala ny tontolo misiko
Ny endriny nefa dia toa miova hatrany
tsy tena mitovy, fa tia sady tiako
Kanefa tsy hafa, fa dia izy ihany
Mahalalan'ny foko, ary koa ny fisiako
Mahala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/nody-alina...-ndray-andr | Nody alina...
Ndray andr | Ny Ela Nihetezana | Nody alina...
Ndray andro aho tara hariva niandry fiara fitaterana
No nitopy ,ka nahita!
Indro Zazavavy iray izay tena fanaperana
Nijoro teny ampita !
nandramako sinangy ,nataoko kipy an'ila
toa maso indray mipika !
kanefa tsy niherika fa toa namilafila
tsy nety nisariaka !
Dia kivy teo ny foko , nahita ity ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/hitanondrika-aho-ry-neny | Ho an'i neny | Ny Ela Nihetezana | Hitanondrika aho ry neny
Eto andoha fasanao
Hitoloko sy hisento
Isan"andro lava izao
Eto aho hamisavisa
Fahoriana sy tomany
Miandrandra paradisa
Hisy anao indray andro any
Voninkazo no atolotro ,
mba ho valin'ny babena
saotra dera avy @molotro
ho an'i tompo no homena
Fa ianao lay reny tiana
nosomparam-paha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ny-fonjanao-ry-neny-mba | Ny fonjanao ry neny!
Mba | Ny Ela Nihetezana | Ny fonjanao ry neny!
Mba nitalaho ihany ianao, ry neny tiako
Mba niangavingavy, hijanona tanilako
Kanefa efa tapaka, fa hanomboka eo ny diako
hisaraka aminao, ilay tokako sy silako!
Tsy maintsy hekentsika, izao ora mafy izao
Migadona tsy ampoizina, sy tonga tsy nampiomana!
tsy maintsy hisara-toerana isika roa sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/fafao...-tsy-azo-antenai | Fafao...
Tsy azo antenai | Ny Ela Nihetezana | Fafao...
Tsy azo antenaina ny toky fitia
Fa aleo aza mihaino ireo kely fambara
Toy izay lokaloka, fa hiara-dia
Fa hay toky fitaka, ny anao ry malàla!
Izaho moa tsy niahotra fa dia namboraka,
Tsy nihevitra akory izay mety ho ratrako!
Fa ianao moa nahita ankanga tsara soratra,
Tsy toa anao fahiny mpiantoraka antr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/midobodoboka-ny-foko-maha | Midobodoboka ny foko
Maha | Ny Ela Nihetezana | Midobodoboka ny foko
Mahatsiaro manirery
Toa mibahana anoloako,
Ny alaheloko mahery
Isan"andro miady saina
Mieritreritra ato antrano
Toa tsy zaka ho zakaina
Fa dia eo manganohano
Mafy izany tokan-tena
Fa tsy hita izay hatao
Izay miseho toa mahasorena
Fa dia mahatsiaro anao
Ny ao ampo toa misy fery
Ny any a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/valifatim-pitia...-nitia | Valifatim-pitia...
Nitia | Ny Ela Nihetezana | Valifatim-pitia...
Nitia ianao kanefa(...)
Vao maika niambohoany, nodiany tsy tazany
Toa olonkafa ihany, vao mamboraka ny vavany
Dia teo ianao niery, tsy niteny na dia tia
Fa nanantena hatrany, na ho eny na ho tsia
Voatery nefa ianao, fa mitaky ny ao am-po
Tsy nahavita nihafy, fa nitia tokoa tokoa
Kanefa mora t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/taminy-taona-lasa-aho | Taminy taona lasa aho(... | Ny Ela Nihetezana | Taminy taona lasa aho(...)
Tsy mba afaka nisitraka fitia taminao
fa toy ny felam-boa tafasaraka aman-taho
Kanefa mba nitory fitiavana impiry
Fa novalianao tosika sy niaritra hirifiry
Taminy taona iny
Ny fiainam-pitiavako mba tany nivahiny
Niangavy nandohalika, namoha ny fonao
Kanefa tsy nahita afa-tsy ny tsiny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/any-ho-any-....-misy-zar | Any ho any ....
Misy zar | Ny Ela Nihetezana | Any ho any ....
Misy zaridaina marevadreva-doko
Manintona ny fo'ko!
Zaridaina kely, mifono mistery
Manintona fijery!
Ao no mba iriko hihaonana amin-driako
Ry zazavavy tiako!
Satriko hamborahana, teny iray mafonja
Na 'ray minitra monja!
Misy dian-drangotra, voasoratrin'ny peniko
Na dia efa nafeniko!
Fitoriam-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/izaho-ilay-mpiady...-iza | Izaho ilay mpiady...
Iza | Ny Ela Nihetezana | Izaho ilay mpiady...
Izaho ilay, mpiady taminy fanjanaham-pitia
Te hanana ny soa ka mba nikolokolo
Bekotro maro holatra, fa tsy mba mpianjoria
Efa ela nihetezana ka tonga lava volo!
Izaho ilay niaritra ny hadalàny hafa
Nahavita niandry hatrany, na efa tena ory
Izaho dia izaho, tononiko mazàva,
Miandry anao hito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ambony-ny-tanana-vao-mi | Ambony ny tanana!
Vao mi | Ny Ela Nihetezana | Ambony ny tanana!
Vao mihetsika eo ialahy, dia ho poahinay tafondro
Fa nataonay antsapaka, dia ialahy no voatondro
Nofidina ialahy no eo, kanjo tsy azo atao sakaiza
Ny mpifidy indray no gisitra, sendra bandy ratsy taiza
Tonga dia, ekeo daholo, sao ialahy hahazo dàka
Ireo halatrao sy fitaka, dia 'zahay no afa-barà... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/sambara-ihany-ianao-ry-t | Sambara ihany ianao, ry t | Ny Ela Nihetezana | Sambara ihany ianao, ry tany tena mamiko
Ry Gasikara soa, voafidy mba ho taniko
Sambara ihany ianao, na hisy hanakorontana
Fa izaho mbola hampitoetra 'lay andrinao tsy hirodana!
Sambara ihany ianao, na iza hanapotika
Hanipy bala rora, sy mbola handrotirotika
Sambara re ianao e, fa aza mety ho ripaka
Fa amin'ilay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/tsy-hoe-foana-lay-fitiava | Aleoko ihany izao | Ny Ela Nihetezana | Tsy hoe foana lay fitiavako,zay efa tsara orina
Tsy lefy tao ambavako ny anaranao tononina
Kanefa aoka ihany,hionona mangina
Aleoko ihany izao na tsy mananan'olon-tiana
Tsy ianao nisakana, tsy izaho noraràna
Tsy sanatria nitsipa-dakana avy niampitàna
Kanefa aoka izao ,na ory sy tomany
Aleoko ny irery tsy misy an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/iny-akanintsika-iny-dia | Iny akanintsika iny | Ny Ela Nihetezana | Iny akanintsika iny !
dia akaniny fitia,zay somary ambanivolo
Trano bozaka , mololo
nefa tsy mba bobongolo
Iny akanintsika iny
dia akaniny fitia, tsara omana nialoha
efa fitiavana taloha
no koloiny mbola hifoha
Iny akanintsika iny !
dia akaniny fitia, tsy navelako natory
Tsy mamoy na dia ory
fa fitia efa voa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/aloka-nitoetra...-nisy-s | Aloka Nitoetra...
Nisy s | Ny Ela Nihetezana | Aloka Nitoetra...
Nisy sento tsy hay sinakana, ny maraina'ny omaly
Raha mbola naizin-dratsy!
Nisy antson'alahelo, sy dradram- peo namaly,
Fa izy nodimandry!
Nisy feo nitoreo, sy tabataba maro
Nanako tany ho any!
Nisy enon-dakolosy, mitsintaintaina mandalo
Mampirotsaka tomany!
Nisy andro tsy nazava, fa dia nalo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/faly-ianao-izao-faly-fa | Faly ianao izao
faly fa | Ny Ela Nihetezana | Faly ianao izao
faly fa nahita, izao tontolo izao
Dia ny any ampita
Fa ny taninao,
Natao ankilabao
Faly ianao izao
Faly ianao satria
Afaka mandositra lay nosinao mahantra
F'any ianao mizatra,fiainam-baovao
Tsisy raorao
Faly ianao izao
Fa nilaozanao,lay menatra mitaha
Dia lay Gasikara,,nasolonao vazaha
Any ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ry-tiako-iriany-hafa-o-h | Ry tiako iriany hafa o!
H | Ny Ela Nihetezana | Ry tiako iriany hafa o!
Henoy aho fa hitafa, hamboraka ny ampoko
Fa mantsy ianao malàla, tsy zakako ampofoiko
Ka ahiako ho lasan'olona
Voatery aho mitolona, manao 'zay sitrakao
Mitondratondra anao, miara-milalao
Kanefa izaho manahy!
Fa misy mantsy sahy, mibata anao antratrany
Fa izaho tsy mahazaka, haharaka ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ny-teny-sy-ny-tany-dia-z | Ny teny sy ny tany, dia z | Ny Ela Nihetezana | Ny teny sy ny tany, dia zava-mifanjohy
Saika nitovy ihany, satria mifampitohy
Ny teny no amantarana,
ny firenena iray
Kajiana sy ampianarana
hahafahana mifandray
Raha foanana ny teny,
Tsy hisy fandrosoana
Zay tsy afaka miteny
Tsy fidiny fa moana
Ny tany ihany koa,
harena nolovaina
Tsy manam-paharoa,
ka tok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/fatra-pandinika...-ny-el | Fatra-pandinika...
Ny el | Ny Ela Nihetezana | Fatra-pandinika...
Ny ela nietezana ka lava volo
Dia fatra-panoratra
Tsy te hitsikera fa mba te hanoro
Sy mba te hamboraka
Lazaina matetika fa basy vava
reo fatra-piteny!
Enjehina ompaina aratsina lava
ombieny ombieny!
Lazaina fa hoe hampandroso ny vina
Ka eo dia mamorona!
Kanefa ny marina toa azo vidina
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/tsy-tony | Tsy tony | Ny Ela Nihetezana | Tsy tony ...
Na dia hanonja mafy hipaoka aza ny rano
Na dia tsy hisy lakana , fa voatery hilomano
Androany akia malala, izaho tsy maintsy tonga
Fa te hahita ny endrikao , na ray minitra monja
Na mety hiraondraona hikotroka ny andro!
na aza hisy zavona , hanamaizina ny antoandro
Androany takariva, tokotokony amin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/ranadahy-ao-aminny-tompo | Ranadahy ao amin'ny tompo | Ny Ela Nihetezana | Ranadahy ao amin'ny tompo!
Izaho ve ratsy saina, sa diso saro-piaro
Ka mampifamotitra anareo mpianadahy
Sa lay anadahy ny anareo no mifangaro
Ka manao fihetsika mampiahiahy!
Tsikarikaritro mantsy ianao mazotozoto
Rehefa mba sabotsy na Lahady izay ny andro
Fa manko haka anao eo 'lay zoky ao aminy tompo
Dia iny t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/fitia-adala | FITIA ADALA! | Hanitr'i NP | Ianao v'efa sendr'ilay olona tena tia,
ilay tsy nisala fa tena nankafy ka sahy nilokaloka ny ho doria?
Saingy ianao no nisalasala,
mantsy ianao tsy mba nahalala,fa misy fitia,fitia adala!
Adala nefa vokatry ny fo,
adala ngamba fa tsy manam-paharoa
Adala saingy noheverinao ho kitoatoa!
F'iny mantsy ilay fitia tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/hafatro-farany-sisa-ity | Hafatro farany sisa ity | Sento tokana | Alohan'ny anadinoako anao,
alohan'ny fahanginako.
Ity mbola misy hafatro farany ho anao,
hafatrin'ny fiangaviko.
Enao efa an'olon-kafa
nefa mbola tiako,
io fitiavako io nefa, tsy mety voafafa
ka izay no mba iangaviko.
Atomboko ny fanadinoana
Atomboko androany.
Kanefa tadidio
Fa izay ny anah ny anjarako, tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/tara-bolana | Tara-bolana | Sento tokana | Tara-bolana malefaka
no hany mba tafiditra eto ambaravarakeliko
sombitsombitaratra
eny sombitsombink'azavana.
Taratra toa voamaika
mampitombo ny alaheloko.
Sombitsombiny sisa no mba anjarako
fa ny manontolo efa any amin'ny hafa.
Azy ny taratrao.
Mamiratra ianao,
fa tsy azoko takarina
Lafatra ianao,
fa tsy a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikalo-kanto/efa-sambatra-izy | efa sambatra izy... | Nikalo Kanto | Efa sambatra izy
izay no hany hafatra nomeny ahy aninkeo
nasainy nampitaina
hoe adinoy tanteraka sy esorinao an-tsaina
ny aminy tontolo
fa efa tsara namana no handimby anao hikolo
Tontolo faharoa
aza hisainana intsony..
fa efa anolon-kafa indray no tiany sy tompoiny
tiaviny ay am-po
..koa mirary anao hikatsak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikalo-kanto/fitiavana-sy-soratra | Fitiavana sy soratra | Nikalo Kanto | Mazana vao mitafa
Dia endrikin'ny soratra ny teny fambaboana
Mazana sora- masina fa entina hamamoana
Ny fon'ny olotiany
Mba entiny handaharana fitia tsy manan-tsiny
Mizara teny roa
Mazana feno loatra ihany koa ny ambom-po
Ka entina fitaovana handrotsiana kalokalo
Ambaboina tsara ny fitia tsy tiana handalo
Fa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/vao-mihodina-ny-ora-dia | Vao mihodina ny ora,
Dia | Ny Ela Nihetezana | Vao mihodina ny ora,
Dia reko moramora, midoboka mihafy
Ny foko voagafy
Fa mafy tena mafy, ny ratra nahazo azy
Nafitsok'ilay taizako
Ilay zazavavy iray nanaiky ho sakaizako
Ka tonga nihanalefaka ny tempon'ny fidobony
Fa nofinofy sisa, ilay firoborobony!
Vao mihodina ny ora,
dia tsy mba moramora, ny tebitebim-p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ianao-2 | IANAO | Fredy Jaofera | IANAO
Ianao no mbola voafidy
hianteherana mandrakizay
ka andao re fa sarobidy
'reo dina natao hampiray.
Ianao no mbola voatendry
hampihaingo ny zava-boary
koa ento fa tsara fikendry
'reo toky natao tsy fanary.
Ianao no mbola voabaiko
hitondra ny tsiky rehetra,
koa ity fa na dia ny aiko,
atolotro atao tarige... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/nisy-andro-nahitako-ny-a | Nisy andro nahitako, ny a | Ny Ela Nihetezana | Nisy andro nahitako, ny asa soratrao
Izay niheverako hoe, navantanao tamiko!
Nibitaka aho namaky izay voalaza tao
Kanefa ianao tsy teo fa ny sarinao no tiaviko !
Tsy haiko izay mety antony, fa iny soratrao iny,
No tena nampitempo, ny atina vavoniko!
Raha tsy ahy angamba izany, dia ianao homeko tsiny
Vao izaho na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/nalaina-taminy-tranga-te | (Nalaina taminy tranga te | Ny Ela Nihetezana | (Nalaina taminy tranga tena nisy)
Nijojo be ny orana indray hariva izay
Izaho sendra nitazana eny antokotaninay
Ny rivotra amin'izany nifofofofo mafy
Ny jiron-daboziako madiva ny ho faty
Akory ny hagagako mahita tovovavy
Mangovitra miampify, toa endrim-pamosavy
Ny lamba eny ankodiny, toa zara raha mitafy
Kanefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/lentanny-penina | LENTAN'NY PENINA | Hanitr'i NP | Rangodrangotra voarakitra,
Sorirariram-pahahatsiarovana tsy telina,
No zary toa nandrakotra ny lentan'ity penina...
Rakofan-tsarintsarin-teny,
Mbetika misary sombin-tantara,
Haingoana pitsopitson-driaka tsy voarara ka nafenina!
Toa siokam-po tsy tana,
Sahala amin-drediredin'adala,
Sentosenton-tiana sy malala ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hadji-rfh/ny-fitiavanao-ahy | ny fitiavanao ahy | hadji rfh | Na sorena ianao na faly
Tsy miala eto anilako
Na mangidy koa na mamu
Efa feno anao ny fiainako
Ilay voady ho doria
No tanjotsika roa
Ireo porofom-pitia
Nambabo ahy tokoa
Tsapako ankehitriny
Ny fitiavanao ahy
Efa hatramin'ny fahiny
No tsy nisy nampanahy
Eny!tia ahy ianao
Tsy ho laviko izany
Ary koa tsy mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/miondrika-aho-malla-fa | Miondrika aho malàla, fa | Ny Ela Nihetezana | Miondrika aho malàla, fa sasatra ny fo'ko
Niezaka nitia, kanefa nisy nioko
Fa nalaky babo aho, taminy filantony
Ka tsy nahatakatra, izay nety ho antony
Tsy mba niandry akory izay fotoana ho ela
Fa avy dia niraikitra ny nitia ka tavela
Manko efa naniry mba hisy hankatia
Kanjo tojo ihany, fa tsy mba ilay doria!
R... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/asakasakao | ASAKASAKAO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | ASAKASAKAO
asakasakao,
raha toa andao ity akany,
asakasakao,
hangala-pitia ambadika any
fa ny foko mbola eto
tsy miova, fa misento
misaina foana anao
koa asakasakao
raha ho ataonao kilalao
ny fitia natolotro ho anao
asakasakao,
raha toa ka ampahory ny foko
asakasakao,
raha hitia an-tsokosoko
ny olon-tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/eretako | eretako | Sento tokana | eretako satria aviamiko
tsy azok atao ny manery
eny tsy azoko atao ny manaiky
ho raisiko fotsiny hoe
tantara mba nandalo
tantara mba niserana,
nofinofy diso torana
eratako ny ahy
iafiko tsy hozaraiko
ho tazoniko mandrakizay
satria izay no hany mba fifaliko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teny | TENY | Fredy Jaofera | TENY
Teny nandratra
no nisintahana
fa nivatravatra
ny fanebahana.
Teny nandatsa
no nandosirana,
na maro patsa
fa nanahirana.
Teny nandoto
no nahamoana
ka tsy nazoto
hiaraka foana.
Teny nandavo
no nosedraina
fa dia tanavo
noviraviraina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/dinanny-foko | Dinan'ny fo'ko | Ny Ela Nihetezana | Dinan'ny foko !
Rehefa miantsinana ny mody taratr'andro
Vao afaka hanadino anao angaha ny foko !
Na intsony tsy hitatao vononana ny andro,
angamba ho amin'izay , ianao vao tsy ho tsaroako
Rehefa tsy hiverina 'reo dindo-mahatsiahy !
satria angaha ianao mifidy hiova volo ,
Na koa rehefa foana ,ny embon'ny fanahy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tiako-ianao-2 | TIAKO IANAO 2 | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TIAKO IANAO!
raha mbola misy fotoana
hibanjinan'olon-tiana
dia venteso imolotrao
ny hakanton'ilay fifiny
voaravaka hatsaràna,
manokàna minitra iray mimaona
hilazanao mangingina
ny vetson'ny fonao
fa ny tsikinao no tsikiny
ho hitanao fa ho revo sy ho tamàna
ny fony tena tia
raha mbola misy koa fotoana
hitsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/hafatro-hoanazy | Hafatro hoanazy | Sento tokana | Mba raovina ary vao ho fantany,
Ity fitiavako anazy
Mba raovina vao hotsapany,
Ny fitiavako anazy.
Iny olona iny foana no tiany,
Iny olona iny foana no antsoiny hoe:''Malala''
Fa ny fitiavako tsy misy mahalala,
Eny e, ilay tenyko tamin'iny
Natako sangisangy,
Nataoko aniany
Nefa ianao no tiako mamiko eto antan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/aleoko-ihany-zao | Aleoko ihany zao | Ny Ela Nihetezana | Aleoko ihany "zao...
Tsy hoe foana 'lay fitiavako zay tena tsara orina !
Tsy lefy tao ambavako ny anaranao tononina ,
F"aleoko ihany 'zao( ...)hionona mangina
aleoko ny mitoetra tsy manan'olon-tiana !
Tsy ianao nisakana na nisy noraràna
Tsy izaho no nitsipadakan'avy niampitàna,
f"aleoko ihany izao...na ory sy to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ela-nihetezana/vao-nitopy-taty-amiko-ny | Vao nitopy taty amiko ny | Ny Ela Nihetezana | Vao nitopy taty amiko ny masony
Dia reko tao anatiko ny bitsikiny fo'ko!
Fa saingy ny fihetsiko no tsy azony
Naleoko fotsiny ihany nitia antsokosoko!
Tsy tanty ny tsy hangalatra fijery
Fa izy koa tsikaritro mandinindinika ahy!
Ka teo izahay ,nifanga-piery
Ny ampo mifankatia,ny hiteny tsisy sahy!
Vao hitako nito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natiora-narda/tsy-ianao-irery | TSY IANAO IRERY.... | natiora narda | Tsy ianao irery akory no vorona ao an'ala
Ka andehanan'ny mpizaha amin'ny andro mamanala
Na mampifaly ny tantely ,ka tsy ahitana tory
Sanatria re e!....tsy ianao irery akory
Tsy ianao irery akory no vorona azo alaina
Ka andehanan'ny mpizaha amin'ny andro vao maraina
Fa mbola ao ny domoina,ao ny rainilovy
Mbola t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/tiako-mba-taterina-amini | tiako mba taterina amin'i | cedarf | tiako mba taterina amin'iny volana iny ny vetsom-po adalako,
ny rediredim-poko mba ho an'ilay malalako
rehefa fenomanana ianao an-tany manireriny;
venteso am-poto-tsofiny hoe tia no ambeti-teniny.
mba satriko hoe tsinapany miohatra zay teneniko
ny fitiavan-dalina soratan'ito peniko,
ny taratrao ry volana ho hitan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/poeta-lalin-tsaina | Poeta lalin-tsaina | Ny Avo Elabakaka | Nisy ny ady teto, nohetim-po nafana
nisy ny opa teto, ningain'ny adalana
Fa mbola voakosoky ny tsikitsiky teny,
nandalo teo daholo, izay sahy niteny
ny hetahetam-pony
Nisy ny nilaza fa i Madagasikara tsy mila foza intsony
Tsy mila velirano, tsy mila mpanonofy
etsetra dia etsetra,....
fa rehefa ny rehetra,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/mbola-kely-loatra-ianao | MBOLA KELY LOATRA IANAO | Zoky Eric | Mialatsiny re rahavako
Fa mbola kely loatra ianao
Ka na dia misy ny fitiavako
Dia aleo hijanona amin'izao
Mbola kely loatra mantsy ianao
Ka sao hamarina ahy ankady
Satria ireo Ray sy Reninao
Masiaka be ka mila ady
Ny foko na dia tena tia
Hampandeferiko mangina
Mba hanaja ilay fitia
Izay natolotrao ry tiana.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/anjaranandriamanitra | Anjaran'Andriamanitra | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Rehefa misy ny tsy zaka,
Matetika,
Mandreraka,
Sy mampivala-ketraka,
Ka feno ny kapoaka,
Dia miseho ny haromontana,
Mahabiby ny olombelona!
Ka mahatonga azy ho sahy,
Mamotika ny maha Ahy,
Sy ny fanahy.
Manimba,
Ny maha olona ara-pomba,
Soa ka natao,
Nefa loza mitatao!
Voaratra,
Ny eritreritra,
Ka tezitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niaina/hanaja-anao-aho | Hanaja anao aho | NIAINA | Tsy fantatrao angaha
Ianao ange no tiko e?
Ianao no faniriko
Eny,ianao no tena izy
Fa tsy ireny hafa ireny akory
Manaiky aho fa hainy
Ny mambabo ny fanahy
Saingy izaho ankia malala
Matahotra tsy sahy
Tsy ny hafa no hisarahantsika
Ka handravana ilay fitiavantsika
Ampy ahy ianao
Ka ny fantatro izao
Dia ny ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/fa-nahoana- | FA NAHOANA ? | Zoky Eric | Izahay raha mba mitia
Dia mitia mangina ihany
Efa fantatray fa tsia
Ny valiny avy any
Mba toa an'iza moa
No mba afaka hitia
sy mba afaka hamoha
Ilay fitiavanay aty ?
Moa tsy ho very maina
Raha mba maniry izany ?
Izahay kilemaina
Tsia, aleo ho eto ihany
Ee, misopatra ny fiainana
Fa dia nahoana loatra ?
Tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/rediredy-ihany | REDIREDY IHANY | Zoky Eric | Vita ity ny mariazy
Ndeha isika hanal'azy
Hivoaka kely any Paris
Hoentintsika koa Maria.
Isika roa hifandamour
Hisotro jus bonjour
I Maria no haka sary
Tambazantsika voasary.
Asitsika lamozika
hanaovantsika saodemipika
Amin'izay kala Maria
Finaritra ny mankafý
Dia aza hadino ilay farara
Fa izaho hitendry i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/ilay-voalohany | ILAY VOALOHANY | Hanitr'i NP | Any izay 'lay olon'iray nanaitra ny fo,
Nahafoizan'izay rehetra mba tiana,
Olo-nitondra hasambarana sy hafaliana ka mamy tokoa!
Any izy izay ilay nanome ny tena lafatra,
Nantenain'hiondanana sy hiafaràna,
Voaloham-pitiavana nihantahantàna toa namela hafatra!...
Fa Fitiava-nandalo ka natakalo ny akanga tsara sorat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/ny-kalonny-foko | Ny kalon'ny foko | MBL | Ny ho mandrakizay no kaloiko ho doria
Mba hitoetra tsy andao fa ho eo anilanao
Ifanampy aminao raha toa sanatria
Mitety ny onja, ilay sambo vaovao
Ka ifamelona sy ifankatia
Raha mbola manana rantsana velona
Tsy ifandao fa ifankatoa
Izay no takian'ny fontsika roa.
Aza manaiky ho resin'ny ampitso
Fa ny fontsika ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/naka-bahana | Naka bahana | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Tsy mety mandeha fa misari-damba.
Ka nahatonga ahy hamono azy ao anatin'ny eritreritra.
Ny maso nipy anefa no ela dia indro fa nitabataba.
Ary namoha daholo ireo maty rehetra.
Raha noheverina fa ny matory,
No mitondra malaky amin'ny fanadinoana.
Kinanjo tsy izany no zava-nisy,
Fa izy indray no namelona saona!
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ventso/tononkalo | Tononkalo | Ventso | Tononkalo iray
Dia ampy hampifandray
Ireo mifampiavona
Tononkalo monja
Dia ampy hampanonja
Ny tsiahy efa miravona
Tononkalo ihany
Dia mety hampitomany
Ity maso efa manjavona
Tononkalo fotsiny
Dia ampy hampihontsona
Ny rindrina mikatona
Tononkalo kely
Dia ampy hampiely
Ny alokao manakona
Tononkalo vitsy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tsy-hita | Tsy hita | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Aza variana mitanisa ny maha ory,
Fa tsy azon'iza ialàna izany!
Raha mbola miaina eto an-tany.
Tsy nisy tsy nandalo izany hoe fahoriana,
Fa saingy nizaka nampitraka ny fanantenana!
Satria ao anatin'ny alahelo no mivoaka ny hafaliana!
Tsy maintsy misy ny tsy tanty,
Ka mety hitomany!
Izay ilay hoe fiainana aminy.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ventso/teto | TETO | Ventso | Teto ambonin'ny alitara
No namaritany ny anjara
Niantsoany azy malala
Teto koa no niafara
Tsy nitohy ilay tantara
Iza moa no nahalala
Teto... ilay fo no nizara
Nefa tsy akory hoe voarara
Samy tia fa tsy sahala |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/fo-voaratra | FO VOARATRA | Zoky Eric | Tiako loatra mantsy izy zay.
Sady ihany koa tia ahy
Nefa indrisy ankehitriny
Niova olo-kafa indray no tiany.
Tsiaro sisa ilay fitiavako
Ranomaso no nanenika ny tavako
Ilay sangisanginay fahiny
Niova ho fery ho ahy ankehitriny
Na ilay tsikiny aza moa
Niova toa nandratra fo
Ilay angotiny eo anilako
Ilay teniny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hadji-rfh/17-taona | 17 taona | hadji rfh | Androany fotoana
Anoratako ho anao
Mba ho fahatsiarovana ny taona
Izay nahateranao
Kaampifalina indrindra
No Anoratako azy ho anao
Tsy dia hoe natao tsara rindra
Fa izay ny tao ampoko tao
Faly ery ny foko
Miarahaba anao
Mba iala ny toloko
Fa asambarana no isesy ao
Arabaina ianao
Ry fitiavana kely
Fa feno ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry/nofy | NOFY | Andry | Endre izato kantonao
Endre izato bikanao
Nanaitra ahy avy hatrany izy ireo
Toa lasa tena tiako tampoka ianao
Ianao koa moa toa tena lasa nandinika ahy avy hatrany
toa lasa aty amiko foana ny fijerinao
toa tsapako avy hatrany
Fa toa manembona fitia ahy ianao
Tsy naharitra aho fa namonjy anao avy hatrany
Tsy nah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/fahasambarako | Fahasambarako | Hatenaina | Andray izany hafaliako!
Fa toha ny faniriako!
Toa mazava indray ny androko
Fa tratrako ny tanjoko
Izay tazaniko rehetra
Hazo,rivotra,etsetra...
Dia indreo manambara
Fa efa niova ny tantara
Ela ny ela re ry fiainako tomany
Fa indro ianao hariako any alavitra any
Fa ny fahasambarana efa sasa-miandry ahy
Ka ind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/vavaka-ho-ani-dada | Vavaka ho an'i dada | anarim | Vavaka ho an’i Dada (Pasteur RANDRIAMANGA)
Tompo ô,
Mitanondrika aho anio dia mitodika Aminao
Mitalaho fa rera-tsaina, mba henoy ity zanakao
Tsy salama efa ela ilay DADA izay lalaiko
Zary namam-parafara, tena trotraka ny aiko
Ny fandriana tokoa mantsy no mba azy ankehitriny
Raha lazoin’ny aretina ilay dadako ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/lalako | Lalako | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Ny lalana hombako dia ny faharatsiana,
Be fahavalo tsy maintsy asiana.
Isan'izany tsy maintsy hiadina,
Ny hakanosana sy ny fahakiviana.
Nefa tsy maintsy mizotra fa izany no didy,
Tsy maintsy misotro na dia hita mangidy.
Efa nofanina ka tsy an-kiantso tody,
Satria efa voaomanana ny fanafody.
Ny lalana hombako di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natiora-narda/lasa-izy | LASA IZY.... | natiora narda | Lasa tanteraka ilay andro maraina
Tsy hita intsony ilay nantenaina
Navalon'ny andro sy taona nisesy
Ka lasa nandao tsy mba vetivety
Rahoviana anefa vao hiverina indray
Fa lasa tanteraka ilay nampiray;
Ilay andro mazava tandindon'ny taona
No indro nilefaka sady nisaona
Ilay malalako,ilay tiako tokoa
No zary vov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/ilay-fitia-novonoiko | ILAY FITIA NOVONOIKO | Hanitr'i NP | Voatery aho maneho ny hany hambom-poko,
Na dia saron-tava ihany mb'hanafenako toloko,
Hodiako tsy hita ianareo rehefa mampiaraka,
Mantsy izaho sy ianao tokoa ilay efa nisaraka,
Voatery aho niezaka Sy mba nifofotra,
Nefa ny any am-poko tra-boina sy tototra,
Minia mamono tena amin'ny asa fivelomana,
Hany hitako ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/teto | TETO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TETO
teto nisy fo naratra
nilaozan'olon-tiana,
teto no voafafa
ny toky sy ny dina
nampitambatra ho iray
teto nisy endrika
hotohoton'alahelo
teto koa no rendrika
ireo tsiambaratelo
nitambarana hatrizay
teto koa no rava
ilay fitiavantsika
niriana ho lalandava
saingy rovitra sy tritra
ilay diary nitambarana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lanjaiko | LANJAIKO | Fredy Jaofera | LANJAIKO
Nataoko ny hiadam-pinaritra,
tsy hitodika ny andro taloha
kanefa dia mbola namaritra
ny alahelo nanakotsa ny fo.
Aiza eto no misy andro iray
tsy hisainako zava-tsy tanty
fa matetika no mbola mivay
sy tsaroana ireo nanabanty ?
Ekeko fa mbola mamiratra
iny alina izay manopy jaky
kanefa na eto toa mihi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hadji-rfh/andronao | andronao | hadji rfh | Tonga ity ny fotoana
Dia ilay andronao
Ka indro tafahona
Ireto avanana sy namanao
Faly tena faly
Ireto fianakavina marobe
Mahita ity mofamamy
Araina soratra lehibe
Tsy ny mofomamy tsia akory
No mafaly azy mianakavy
Fa ilay soratra mitory
Ny naha lehibe anao sahady |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/vetsovetso | Vetsovetso | Antsa tononkalo.R | Vetsovetso
Izao vetsovetso izao, tonon-kiram-belovelo
Tamin'ny saina oriory, tamin'ny fon'ny malahelo
No haborako aminao, sento lalina avy anaty
Efa dotram-pahatsiarovana, novonoina fa tsy maty !
He mahatsiaro ny efa lasa,
mbola tena hankamamiana
indrindra nahatsapana,
ny hasarobidin'ny fisiana
Fa mielina ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/firembenny-fanahiko | FIREMBEN'NY FANAHIKO | Hanitr'i NP | Ngamba izato ianao ry volana,
efa leo ireo tati-bolana,
Fa na monja tokan-kintana,
Tsy navelanao hamafy vintana,
Na dia iny habakaba-manga,
toa zary raho-mainty no nitranga!
Nankaiza ilay firemben'ny fanahiko,
toa zary haizin'ihany sisa no mba sahako?
Tokoa ve izato ianao ry volana,
efa leo ireo tati-bolana?
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natiora-narda/manodiava | MANODIAVA | natiora narda | Eto aho izao,milaza aminao mazava tsara
F'aleo ny antsika ,hivalona ho tantara
Tsisy hoe nahoana,fa hainao mazava ny antony
Fa simbanao sy rotikao, fitiavako sy ny hakantony
Izy no safidinao ka dia tiavo andriamatoa
Ny fitiavany ihany koa,tsy manampaharoa;
ka araraoty sao dia lasan'olona eo;
Fa ny foko sy fitiav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tsy-eo-ianao | RAHA TSY EO IANAO | Fredy Jaofera | RAHA TSY EO IANAO
Na feno aza ny karazam-borona mandalo
manaitaitra ahy sy mbola sarotra atakalo
ho maivana ihany ny tazana eto angamba
raha tsy eo ange ianao, ry efa nahajamba.
Na tobaka aza ange ny voninkazo mahaliana
mandravaka ny tany sy mbola mahavariana,
ho zava-poana ihany, ry aiko sy tsy foiko,
raha tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zanaka | ZANAKA | Fredy Jaofera | ZANAKA
Ny vola no harena maty
fa ny zanaka harena velona,
tsarovy tsara ka mba soraty,
tsy atakalon'ny olombelona.
Ny vola no harena maty
fa ny zanaka harena velona,
ny fiainana dia ho poak'aty
raha tsy eo miselontselona.
Ny vola no harena maty
fa ny zanaka harena velona ;
fa sarobidin'ny olombelona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/onibe | ONIBE | Fredy Jaofera | ONIBE
Ny efa niampita onibe
tsy mataho-drenirano
fa miroboka foana re,
hita ery ho milomano.
Ny efa niampita onibe,
efa nahita rano lalina
fa tsy vao izao ange,
vao tratran'ito alina.
Ny efa niampita onibe,
tsy matahotra iny voay
fa dia nahalala loza be
efa nihoatra noho izay.
Ny efa niampita onibe,
efa n... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.