url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/evina | EVINA | Fredy Jaofera | EVINA
Evina sendra tsy nahy
no nitondra ny tsiaro
ka namoha ny fanahy
ho any re ka fantaro.
Evina sendra tsy tana
fa tsy tratran'ny sery ,
sarotra mbola nialana
fa tsaroana ho nahery.
Evina miandry fitia
mba hirehitra foana
ka tsy hampikodia
fa ho jiro anoloana.
Evina mila malala
hamaly ny fo oriory
na i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/nantenaina | Nantenaina | Anj'art Nantenayna | Malala , ny fiainako eto antany.
Ny androko rehetra.
Ny vava izay miteny izany.
Milaza ireo teny mamy.
Ny ampitsoko, ankamatatra ny hoavy
Ny omaly nandalovantsika teny
Dia foiko ho anao daholo
Foiko manontolo
Satria tiako laotra ianao
Tiako ho ahy mandramaty.
Fitia tsy kilalao fa
Monina ato anaty.
Tiako lao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mandeha-ny-fitantanana | TSY MANDEHA NY FITANTANANA | Fredy Jaofera | TSY MANDEHA NY FITANTANANA
Tsy mandeha ny fitantanana
raha mitotongana ny ariary,
tsy hay raha ho tombanana
izay mbola ho vidim-bary.
Tsy mandeha ny fitantanana
raha miaka-dava ny lasantsy
fa tsy mba misy fanakanana
ny hisondrotany eto mantsy.
Tsy mandeha ny fitantanana
raha mikaikaika ny vahoaka,
mba redire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ratsy | NY RATSY | Fredy Jaofera | NY RATSY
Ny ratsy mora ianarana
fa ny tsara dia tsy izany
no tenim-pandaharana
mitombina eto an-tany.
ny ratsy ambinin-doza
fa ny tsara mahavariana,
na ambara ho be kitoza
sy toa lavi-pahoriana.
ny ratsy mahasolafaka
fa ny tsara mahatafita,
na dia indro afakafaka
tamin'ireny zava-bita.
Ny ratsy mbola hival... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/satro-boninahiny | SATRO-BONINAHINY | Hanitr'i NP | SATRO-BONINAHINY,
Tsia an!
Solafaka ianao fa koa mba mandia tany,
Aza mamoifo akory ka aza tomany,
Mitsangàna,raiso ny tanako hanampy anao,
Mijoroa ,mitrakà dia meteza ka'ndao
Meteza fotsiny fa raisiko ho ahy,
Izaho nahalala ka tena sahy,
Sahy hitsimpon'iny satro-boninahitra,
Nisy nanilika an-tery tan'ahitra,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-fantatro | EFA FANTATRO | Fredy Jaofera | EFA FANTATRO
Efa fantatro ny hoaviko
fa horakofam-pahasambarana
ka na inona hotadiaviko
dia efa izay no fandaharana !
Efa fantatro ny androko
fa hitondra lamina ato ho ato
sy hisy ny masoandroko
mbola hanazava tsy an-kiato.
Efa fantatro ny tanjoko
fa hanjohy ny lala-nofinidiny,
na maro ireny akanjoko
navela... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranomainty/tsy-tiany-hono-aho | TSY TIANY HONO AHO | Ranomainty | Tsy tiany hono aho satria
bandy ratsy bika.
Tsy mba fotsy manjopiaka
fa bandy mainty loko ,
mendrika ho mpanompo
Tsy tiany hono aho satria
bandy tsisy vola
tsy ahafahany midola.
Hividy izay mba tiany
sy ireo izay mba faniriany
Tsy tiany hono aho satria
rehefa ijay izahay mivavaka
toa tsy hitany mba miavaka
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zonny-rehetra | ZON'NY REHETRA | Fredy Jaofera | Zon'ny rehetra
no milaza ny heviny,
hoy ny fepetra
tsy tokony haleviny.
Zon'ny rehetra
no milaza ny marina,
io no tarigetra
tsy mba hampivarina.
Zon'ny rehetra
no milaza ny tsapany,
n'aiza mitoetra
sy kely no arapany.
Zon'ny rehetra
no milaza ny tiany
ka aza mitsetra
raha zava-tsy iriny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vody-andro-merika | VODY ANDRO MERIKA | Fredy Jaofera | VODY ANDRO MERIKA
Tsinjovy ny vody andro merika
tsy ho olana ireo andro ririnina
na ho sahirana rehefa hiherika
fa mandry raha mba fintinina.
Ny ampitso katsahina hatrany
fa tsy faly hanampatra foana ;
lakalaka ny fiainana an-tany
ka sao dia ho tazako moana.
Tsy hay ny ho avy sy hitranga
ka saintsaino ny zava... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanetren-tena | NY FANETREN-TENA | Fredy Jaofera | NY FANETREN-TENA
Ny fanetren-tena
dia hatsaran-toetra
tsy mampahonena
na mampitsetsetra.
Ny fanetren-tena
dia endri-pitiavana
tsy manan-tangena
fa vonon-kihavana.
Ny fanetren-tena
dia fahadiovam-po
tsy mba hay fefena
fa mainka aza to.
Ny fanetren-tena
dia halehibiazana
mivoy fahendrena
sy fahombiazana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/ilay-hoe-tia | ILAY HOE TIA | Hanitr'i NP | Iangolàn'izy ka tambazana,
hiangotiana koa sy hiatsampazana,
Nefa zary toy ny "motika" nahavoky,
Tsy mba nisy fahazoan-toky...
Nifonana sy nitomaniana,
Hingosoana fa hoe tena tiana,
Nefa zary toa "fanalan'azy" ny tena,
Tsy misy sitraka mba nomena...
Niaretan'ireny hompany rehetra,
nozakaina avokoa az'ireny dar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/hidihidiko | HIDIHIDIKO! | Hanitr'i NP | Mbola ho tsapanao ihany izany halalin'ny fitiavana,
rehefa mby ianao ka tojo ilay tsy resin'ny fandavana!
Mbola ho tsikaritrao koa ny ngovitry ny ratrany,
Rehefa ianao nahifiny tsy ho eo an-tratrany!
Eny e!
Milalaova!
lalaovy ihany izany foko,
Fa mbola ho avy izany fiainanao hitoeran'ny toloko!
Mantsy ny ahy ef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-nampoiziko | Tsy nampoiziko | Nalison Randrianaivo | Tsy nampoiziko
Efa mba niezaka aho nitia
Nanambitamby anao hatrany
Nampifalifaly anao foana
Saingy tsy ampy ve izany?
Impiry moa aho no nanontany
Hoe teneno ahy izay tsy ampy
Fa vonona aho hanampy
Saingy hoy ianao raha namaly
Izaho anie hoy aho tsy mijaly
Fa raha fitia izay natolotrao
Efa ampy, Koa misaotra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nilana-miaramila | TSY NILANA MIARAMILA | Fredy Jaofera | TSY NILANA MIARAMILA
Tsy nilana miaramila
ny fitakiam-bahoaka
fa ianareo no nitanila
ka nisy izay nipoaka.
Tsy nilana miaramila
ny zavatra tadiavina,
na nilaza ho tsy mila
fa toa hevi-dravina.
Tsy nilana miaramila
ny porofo maromaro
fa mainka nampibila
'zay asa ka fantaro !
Tsy nilana miaramila
ny tena fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriaonjatiana/anjarako | Anjarako | AndriaOnjatiana | Ianao no voafidy
Ato anaty foko
Ka tsy hisy handrava
Izany fitiavako izany
Anjaram-pitia
Hiaraka ho doria
Fa feno fitia
Ny antsika roa mandrakizay
Tsy mbola nisy fitia
Tsapako mamy tahaka ity
Fa ianao irery iany
Safidin'ny fo ka tsy ho very |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/ny-taniko-amiko | NY TANIKO AMIKO | Hanitr'i NP | Tanindrazana,
Novolain'ireny lasan-ko razana,
Ankehitriny zary ngazana,
Mihafoana!
Toa mihakonka babangoana,fa nahoana?
Satria ve ravan'ny fotoana?
Mantsy ny hafa toa mihamandroso,
Ny ahy toa zary mikoroso,
Rahoviana vao ho loso,
Rafivoarana,
Efa tazana nanarangarana,
Saingy tsy hita hifaharana,
Tsy tratra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hazom-panginana | NY HAZOM-PANGINANA | Fredy Jaofera | NY HAZOM-PANGINANA
Ny hazom-panginana
mamelana hafaliana,
lavi-pahamaizinana,
manorim-pitoniana.
Ny hazom-panginana,
mamoa fahendrena,
mivatsy filaminana
mirako-pamonjena.
Ny hazom-panginana,
manam-piadanana
misy fanambinana
tsy hay tombanana.
Ny hazom-panginana,
toa be tsiambararoa
sarotra anombinana
k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/tontolo-iray-ihany-ny-ahy | tontolo iray ihany ny ahy | M'art-son Emmanuel | tontolo iray ihany ny ahy sy ny anao
vatana tsy misy ratsana aho,
ianao kosa nofo aman-drà,
azo lazaina anefa f'izaho sy ianao mpirahalahy ...
saingy nintarina aho,tsy nisy niano
nintomany aho saingy, tsy hitan'ny fanjakana
diso fiantefa fa sento very maina
nohosena kanefa 'zaho 'lay nolazaina tany "TAN-DALANA"
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/aza-atao-ho-voady-rehefa | AZA ATAO HO VOADY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | AZA ATAO HO VOADY
rehefa mba mitia ianao
dia mitiava fotsiny ihany
f'aza mba mivoady
amin'ny resaka fitiavana
fa tsy ho zakanao
ny hisedra irery izany
indrindra fa ny ady
miharo setrina fandavana
mitiava,
mitiava fotsiny ihany
f'aza mampantena
izay tsy ho tanteraka
ka hanamaloka ny tava
mora kotran'ny tom... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vonoina-ny-marina | VONOINA NY MARINA | Fredy Jaofera | Vonoina ny Marina
sao tsy handresy,
tsy tiana hitarina,
na indro misesy.
Vonoina ny Marina
sao tsy hahasoa,
aleo amboarina
fa tsy mba roa.
Vonoina ny Marina
sao hanahirana,
indro navarina
tsy hifikirana.
Vonoina ny Marina
sao hiparitaka,
fenoina harina
ka tsy nibitaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/t-i-a | T I A | Hanitr'i NP | ~ T I A ~
Tiako ianao ahatsapa,
f'efa potika sy rapa,
ka tsisy tompo ity lapa,
Tiako ianao ahatsiaro,
f'efa tsy misy mifangaro,
intsony tsisy ahasaro-piaro,
Tiako ianao mba hankafy,
f'efa voatokako andri,
Ity foko kely ity,
Tiako ianao ka tiako,
F'efa tena faniriako,
Ho ahy mandrakizay doria!
#Hanitry_N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahendrena | FAHENDRENA | Fredy Jaofera | FAHENDRENA
Fahendrena
ny mangina,
na volena
habibiana.
Fahendrena
ny mitony,
na omena
lonilony.
Fahendrena
ny mamela,
na nihena,
hoy ny ela.
Fahendrena
ny mirary,
na nekena
fa narary. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/mievina-irery-aminny-ali | Mievina irery | Antsa tononkalo.R | Mievina irery amin'ny ali-mangina
Embona kely mba sendra nandalo
Tsy misy mamaly,fa lavitra tiana
Tsy nisy manoina, indrisy mimalo
Tsarona ny lasa ka dia malahelo
Hatramin'ny rora nanjary mangidy
Ô! Kalon-jorery ka mamelovalo
Ny sento mipongatra injao mitadidy
Fa lasa ny tiana ka mamerovero
Kanefa tsy tana fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiary-njava/sisa | SISA... | Tiary Njava | SISA...
Asa raha tadidinao
''Ranomaso iray nijohy''
Fony isika hifandao
Fa tantara tsy hitohy.
Moa mbola an-tsainao ao
"Fo nifidy ho tena tia"
Eny mbola hatramin'izao
Dia miandrandra ilay Doria.
Moa...mbola tsaroanao tsara
''Fo iray izay torotoro"
Dia nezahin'ny anjara
mba harodana hikoro.
Tsy haiko ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fandeferana | NY FANDEFERANA | Fredy Jaofera | NY FANDEFERANA
Ny fandeferana
dia hatsaran-toetra
manam-piadanana ;
omena toerana
sy injao misy fetra,
tokony hananana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/i-jehovah | I Jehovah | Hatenaina | I Jehovah no tena tiako
Ka raha ny faniriako
Dia ho azy irery ihany
Ny fiainako eto an-tany
Ekeko aho fa nania
Dia naniasia
Niadaladala teny
Dia nirenireny
Nefa ilay ilay Raiko be fitia
Tsy namela ahy hikodia
Fa noraisiny ny tanako
Dia nekeko izy ho namako
Dia noraisiko ny teniny
Izay tsy misy afeniny
Dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-herinny-vola | NY HERIN'NY VOLA | Fredy Jaofera | NY HERIN'NY VOLA
Mba loza, re olona, ny herin'ny vola
fa sady manimba no tena mahanjola :
potipotehiny tsy hitranga mihitsy
ny marina atao sy ny lala-mahitsy.
Mba loza, re olona, fa rehefa manjaka,
mbola izy avokoa no tompon'ny laka,
mitondra ny trema mbola hiravo,
manono ny ory mainka ho lavo !
Mba loza, re o... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-hala-bato | RAHA HALA-BATO... | Fredy Jaofera | RAHA HALA-BATO...
Raha hala-bato
no nahazoana fahefana
dia ato ho ato
krizy be no hiafarana.
Raha hala-bato
no nahitana fandresena
dia tsy hiato
ny jaly tsy hay fefena.
Raha hala-bato
no nahazoana toerana
dia efa ahirato
ny maso fa tsy ferana....
Raha hala-bato
no hany fahamarinina
dia iny harato
tsy hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tamberin-tsiahy-midona-m | TAMBERIN-TSIAHY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TAMBERIN-TSIAHY
midona midona e! ny orana ankaratra
vaky tsipelina ny any anjafy
fa raha midona maresaka ny oram-pitiavana
dia manjopika aok'izany ny lamba tinafy
fa midona mangina mahavaky ny saina
ny embon'ny tsiahin'irony fahiny
fa ny tiana niriana izay mba nantenaina
no indro nikopaka namonjy fodiany
mafai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/isaina | Isaina | Karako | Isa
Misaina ny hody aho izany
Roa
Rotsian'ny fahatsiarovana
Telo
Tilian'ny hanina avy any
Efatra
Efa tratrin'embonareo
Dimy
Dia mivetsovetso ny akany !
Raha hody aho anefa dia aiza ?
Aty mba efa misy sakaiza
Sady ananako sombina tany
Kanefa toa vahiny ihany !
Raha hody aho mbola ho tadidy ?
Sao sendra iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/mifona | Mifona | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Hifonana ry zandry,
Ireo anatranatra rehetra.
Izay niloaka avy any anaty,
Nefa noheverinao tsy ho tsara!
Hifonako daholo,
Na ny bedy na ny teny,
Na ny toro na ny fefy,
Fa tsy hamerina an'ireny!
Hifonana ny noheveriko ho mamy.
Kay nangidy tampoka ny tsirony!
Dia avereno amiko ry zandry,
Izay sisa ambinkambiny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/avoahay-ny-marina | AVOAHAY NY MARINA | Fredy Jaofera | AVOAHAY NY MARINA
Avoahay ny Marina
ka aoka tsy afenina
fa izao tsy hanarina
ny tokony harenina.
Avoahay ny Marina
ka aza mangalatra
fa mainka hivarina
ny lalana hitaratra.
Avoahay ny Marina
ka aoka tsy ovaina
fa raha amboarina
tsy eken'ito saina.
Avoahay ny Marina,
aoka tsy hiandany ;
ny tiana no anarin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-honore/tiako-raha-toa-ka | Tiako raha toa ka... | Jean honore | Tiako raha toa ka ianao
no ho antsoiko isan'andro hoe malala
tiako isika tsy mba hifandao
samy tia tsy mba misalasala
nihiratra ihany ny masoko
tsy nahita hafa aho anefa
f'ianao no hany tanatiko
nambabo ny foko rehetra
an'arivony raha kely indrindra
ny tsara izay hitany masoko
f'ianao kosa niavaka indrindra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/handeha-izany-ianao-o | HANDEHA IZANY IANAO O? | RRAG | Indro tononkalo famenon’ilay ainga: “RY TAONA HOAVY IRY…!”
HANDEHA IZANY IANAO O?
Ento ho anao daholo, ny olana nandràtra,
irony tebiteby, zary toa nahazatra,
nihiboka tan-tsaina, nandoro ny aty fo,
fa aleo hijanona eto, ‘reo nahitana soa.
Ny ranomaso latsaka, ny sento izay nandalo,
ento ho anao koa, irony vetso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/therry-emerson/avelako-hatreo-ireny-alah | Avelako hatreo
Ireny alah | Therry Emerson | Avelako hatreo
Ireny alahelo ireny
Ianao nandao rahateo
Izaho manirery tamin'ireny
Lasa ianao,lasa nandao
Ny masaka ato an_tsaina
Hitady solonao
Izay no azo lazaina
Mafy tamiko ny nanadino anao
Tena tsy tantiko,nefa nionina aho izao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haingo/tsy-afa-po | TSY AFA-PO | HAINGO | Na efa maro ihany aza
Ny hirahira teo himolotro
Dia tsy mbola mahalaza
Fa hoe ampy izay natolotra
Ary noho izany indrindra
No tsy nahasasatra ahiko
Raha mikiry mampirindra
Ireo amboaran'ny fanahiko!
Satria hatramin'izao tokoa
Ny ao anaty tratrako ao
Dia tsy mbola afa-po
Tamin'izay nataoko ho anao
Mbola tia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/mba-mangataka | Mba mangataka | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Mba mangataka azafady,
Mangataka miangavy.
Fa efa omaly no tsy omana,
Tena efa kely ny aina!
Mangataka fa tsy manana,
Na fitafy na sakafo,
Na hantra na fitiavana.
Omeo fa malahelo!
Mangataka am-panajana,
Izay ampy re zaraina,
Sanatria ny hoe manery,
Omeo fa hanaovanay tsianjery!
Tsy mitavandra izay lafo,
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/therry-emerson/mbola-tia | Mbola tia | Therry Emerson | Eto aho maminavina
Ny zavatra mety hiseho
Izaho anie mahalala tsy tiana
Saingy mbola tia anao rahateo
Izany no mahatonga ahy
Mbola misisika amianao
Ianao ilay naha_babo ny fanahy
Ka mbola tiako ny eo anilanao
Ka raha tsy anjara ny antsika
Dia tsarovy izao teniko izao
Ny fitiavanao ahy no mangatsika
Fa ny ahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fandeferantsoa-julien/gasikara | GASIKARA | Fandeferantsoa julien | Indrisy ry gasikara mamitsika
Tandomindoza ny hoavinao
Tadiavin'ireo panao politika
Ho zimbazimbaina ianao
Tsy ekena anefa izany
Fa masina loatra ianao
Ka arovanay hatrany
Mba tsy hatao akilabao
Masina loatra ny tanindrazana
Ka aoka samy hanaja izany
Raha mbola samy ifanidy vazana
Mba hanao ahoana re ny iafa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-honore/izay-be-fitiavana | Izay be fitiavana | Jean honore | Sambatra izay be fitiavana
fa miaritra sady mandefitra
mikatsaka ny fahombiazana
na enjehina tsy mba milefika
tsy mamoha ny zavatra lasa
mibanjina hatrany ny ho avy
tsy kivy hialonan'hafa
n'inonina n'inona sedra mianjady
manasoa lay olo-tiany
tsy mandray ny vavan-hafa
vao mai miha-mitraka hatrany
mitia tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-marina | Ny marina | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Ampy entina miady,
Ny hatavezam-pahalalàna.
Saingy mamarina any an-kady,
Raha hanapotehina ny marina!
Mahasoa ny mila,
Ny habetsahan'ny harena.
Fa mampivaralila,
Raha hanitsahina ny marina!
Aleo mitafy lamban'ondry nolokoina,
Izay tsy azon'iza hambaniana.
Toy izay hiravaka voangy sy volamena,
Izay azo tamin'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-afo | Ny afo | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Menamena hoy aho ny afo,
Mena misy mavomavo.
Kanto erÿ ny endriny raha tazanina,
Fa saingy tsy azontsika raisin-tanana!
Menamena hoy aho ny afo,
Menamena nefa kanto,
Mahasoa izay mila azy,
Nefa koa mahafaty izay mba te ho faty!
Menamena toy izany ny fitiavana,
Misy mavomavo koa raha banjinina.
Miredareda rehe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/iray-vatsy | Iray vatsy | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Soa ny manam-pahendrena,
Sy ny manam-pahalalàna.
Fa tsy mahasoa ny tena anefa,
Raha toa ka tsy hifampizaràna amin'ny hafa!
Soa ny manam-pitiavana,
Satria izany no tena fiadanana.
Saingy raha fitiavan-tena fotsiny,
Dia tsy mahasoa ny tena mihitsy!
Tsara ny manana harena,
Fa mety ho hita izay tadiavina.
Saingy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-raozinny-fitiavana | Ny raozin'ny fitiavana | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Nisy voa nafafin'ny efa sambatra,
Izay nitsimoka ho hazo goavana.
Tao anatin'ny sahan'ny mahantra,
Izay nantsoin'ny zanaka vavin'ny mpanjaka hoe fitiavana!
Nahafinaritra azy ny hakantony,
Indrindra fa ilay raozy isaky ny sampany.
Niangavy ny mpamafy izy tamin'izany,
Mba hanome azy ity farany!
Rehefa azony ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hanitri-np/nofim-pitia | NOFIM-PITIA | Hanitr'i NP | Ireny rotsim-pitiavana,
narahin-kalo nitomandavana,
zary namelovelo anaty,
nampanembon'ahy tsy satry!
Ireny safosafo an-teny mamy,
langolango mpamafa ny tomany,
zary mpanafaka ireo gadrako,
nahamaimaina koa ny ratrako!
Ireny nofim-paniriana,
narahin-tsarim-piangotiana,
zary banga nampanembona,
foana mantsy k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/saingy-tsy-fanahiniko | saingy tsy fanahiniko | M'art-son Emmanuel | mety ho diso
fa tsy fanahiniko
ny manohy mitia anao mangina
mety ho adisoako
raha tsy ilako hadinoko
lay tanatara fahiny
lay fitia tsy manantsiny
nadio tsy misy tsiny
saingy tsy fanahiniko ...
f'angamba koa tsy anjara
fa lalao mipetraka ho tantara
ny lasan-tsika |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niaina/soa-fa-teo-ianao | soa fa teo ianao | NIAINA | Soa fa teo ianao
Nilofo sy nanampy
Tsy nahavita ny nandao
Ity olona efa resy
Soa fa teo ianao
Ilay hany fitarainako
Ianao ilay tena namana
Tsy nitandro hasasarana
Soa fa teo ianao
Tsy nanao an-kilabao
Tsy nanenjika ny resy
fa nanampy tsisy resy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/hofonako | HOFONAKO | M'art-son Emmanuel | hifonako ry gasikara
hifonako sahady , ny mety hanjo anao
atsy ho atsy
hifonako ho an'ny malagasy nilaza nisafidy tsara
sy ho an'ny ny mievitra nahalala ny ho tokony hatao
hiofonako 'zay mety voka-dratsy ...
tsy vinavina na koa tsindrimandry
fa efa tsindroko sahady
fa tsy sanatria maniry loza
isika samy isika ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-taona-ho-avy-iry- | RY TAONA HOAVY IRY… ! | RRAG | RY TAONA HOAVY IRY… !
Etsy kely ange e! Ry taona hoavy iry…!
Ny fahorian’ny fony mba, soloy indray fitia,
ny alahelo an-tsainy, indaosy fifaliana,
ny fahavalom-piainany, ataovy olon-tiana.
Irony mpankahala e! Ataovy tsy mahafoy,
irony mpanadala, mba adalao alohany!
Ka mba ianao ry taona no, famafa ranomaso,
dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tsy-niova-kosa | RAHA TSY NIOVA KOSA... | Fredy Jaofera | RAHA TSY NIOVA KOSA...
Raha tsy niova kosa ny tiako rehetra rehetra,
tsy ilaiko akory raha mbola any no mitoetra ;
raha latsalatsa foana no atsipy tomandavana,
aleoko dia misintaka, na misy izay fitiavana.
Raha tsy niova kosa 'rony esoeson-teny
mandratra lalandava izay mety tato anaty,
tsy ilaiko intsony ny hahi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eo-anilanao | EO ANILANAO | Fredy Jaofera | EO ANILANAO
Eo anilanao,
misy mamy ery
efa nanavao
sy mbola be dihy.
Eo anilanao,
misy nofy tiana
lavi-draorao
sy rako-pifaliana.
Eo anilanao,
misy tory lafatra
efa mba natao
hahatsara zavatra.
Eo anilanao,
misy toky foana
efa hita izao
fa lafo, na ahoana ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nampivandravandra-2 | NAMPIVANDRAVANDRA | Fredy Jaofera | NAMPIVANDRAVANDRA
Taiza no nisy volana tahaka izao
ka toa mahafinaritra eo imasonao
nefa vao mitodika fotsiny kosa,
ny latsa sy eso no heno misosa ?
Maniratsira no takatry ny vavany,
mankaleo ahy mahita ny tavany,
aza miteny lango imason'ny vary
na milaza anaka raha mankarary.
Aleo mankahala fa tsy mody tia,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/teraka-ho-aniza | TERAKA HO AN'IZA? | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TERAKA HO AN'IZA?
teraka Jesosy
tao an-tranon'omby
dia mitobaka ny saosy
fa tonga ny Mpamonjy
tsianjery tsy hadinoina
fony fahazaza
matetika tsaroana
Ka ventesina eo am-bava
saingy,
injany! ... Henoy!
ny dindaon'ny fiangonana
miantsoantso mpino
hiombom-po amam-panahy,
ary hiventy hira-piombonana
avia ry ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tia-ahy-hono-izy | TIA AHY HONO IZY… | RRAG | TIA AHY HONO IZY…
Eh! Tia ahy hono izy, toa tsapako ery,
fa vesatra ao am-pony, izany hoe mitia!
Dia naborany ho ahy ny tao anaty fony,
tsapako izy mihovitra toa tsy mety tony!
Fa moa koa mba tiako, ny hamaly eny?
Miraikitra ny lelako, toa tsy afaka miteny!
F’izany dobodoboky ny foko ato anaty e!
Mitroatroatra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/fony-izaho-tsy-nanantena | Hianao no Izy. | Antsa tononkalo.R | _Fony Izaho tsy nanantena ny ahita Anao intsony...
Indro, nifanena taminy indroa teny ho eny, tamin'iny lalana iny aho.
-Dia gaga hoe lalina izany raha fitoviana, teo aho vao nino fa hay misy ny olona mitovy?
...Lasa teny ny volona nanaraka ny eritreritro nivadibadika:
-Iza loatra ary iny olona mitovy be taminao in... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fandeferantsoa-julien/noely-mahatra | NOELY MAHATRA | Fandeferantsoa julien | Indrisy ry Noely mahatra
Fa misaona ny foko ankehitriny
Christmas nitondra ratra
Mampatsiahy ireo fahiny
Heritaona zay no lasa
Fa mijanona tsy miala
Ho tsiahy sy tantara
Nody mandry ilay malala
Raha christmas toy zao
Samy tsisy nahalala
Fa tapoka be tsotrizao
Alahelo mintamberina
Rehefa Christmas toy zao
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/antenaiko | ANTENAIKO | Fredy Jaofera | ANTENAIKO
Na dia teo aza ny mafy nobabena :
'reo alahelo sy ny sisa sy ny sisa,
antenaiko fa hahazo fandresena
ny hetaheta nanonofy paradisa.
Na dia teo aza ireny fifandirana :
ny latsalatsa na ny fosafosa teny,
antenaiko fa hisy re hangirana
'reo nahamatroka ahy ombieny.
Na dia teo aza ny fahavoazana :
'reo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fandeferantsoa-julien/fo-adaladala | FO ADALADALA | Fandeferantsoa julien | Adala ve ny FO
Raha mitia olon-dro
Sa efa safidy natoraly
Nefa anie ka mapijaly
De adala tokoa ve ny FO
Raha tsy mahay tsy tiana
Sa izay le atao hoe tia tokoa
Ka Efa zatra amparariana
Nefa indrisy ry FO adala
Hoy ny saiko manontany
Ianao mifikitra tsy te hiala
Amin'izao fiainana antany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-mbola-ao-ihany | RAHA MBOLA AO IHANY... | Fredy Jaofera | RAHA MBOLA AO IHANY...
Raha mbola ao ihany
ny toky izay nomena
aza ariana fa ny tany,
mbola eto manantena.
Raha mbola ao ihany
ny voady izay tsy foy,
aza esorina fa injany
misy hira mampitohy.
Raha mbola ao ihany
ny lasa mahafinaritra,
aza alana fa dia izany,
tantara iray tsy aritra.
Raha mbola ao ihany
'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.a.z.n/-madiro-manafony- | ~~ MADIRO MANAFONY ~~ | R.A.A.Z.N | ~~ MADIRO MANAFONY ~~
filiny ny manafo tsisy hafa
ireto akama niara nitafa
ianareo namako na bandy kely
tsy adinoko velively
manafon'i madiro
misy filiny matsiro
namana amin'ny tafatafa
satria manafo tsisy hafa
milay be nareo ry zandry isany
fa ny fiainana efa hitan'elisany
tsy adinoko rond-point voalohany m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fandeferantsoa-julien/firariantso | FIRARIANTSO | Fandeferantsoa julien | Tiko ny mitondra izato firarina
Ho atsika zay manampaniriana
Amin'izao asaramanitra izao
Sy raha andia taona vaovao
Mirary raha mirary
Tsy arofo tsy arary
Fa ahazo Hery vao
Ianao sy ankohonanao
Samy hotratra ny taona
Isika mianakavy
Amin'izay fotona
Samy mifaly jiaby |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.diva/nofy | NOFY | R.DIVA | Tia ahy izy kanefa za tsy tia azy akory.
Babo tamiko izy,izaho anefa tsy niraika taminy mihitsy.
Tsapako hoe nisy alahelo tao anatiny,tsy norarahiko izany e!
Efa olon-kafa no tiako,
Indrisy anefa fa tsy tia ahy koa ilay olona mba tiako,
Ilay mba niriako tsy naniry ahy , dia izany marina ve ilay atao hoe todi-pitia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/asa-raha-fantatrao | Asa raha fantatrao. | MBL | Asa raha fantatrao.
Ny atao hoe tia dia mahafoy tsy misy fetra.
Amin'ny andro izay ilaina, dia eo foana mba iaino.
Raha tojo sedra na mangidy, dia tsy mahay mandahy.
Eo foana mba ho toky, eo foana tsy mahafoy.
Tsy anadino fa ho zoky, ho zandry koa raha sendra vesatra.
Tsy andao raha toa ka osa, mifanampy tsy kano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fandeferantsoa-julien/masoandro-mody | MASOANDRO MODY | Fandeferantsoa julien | Masoandro mody
Ny fiainantsika ety
Rovina vao ho tody
Ery akotra ery
Miazakazaka aokizany
Ny fiainana eto antany
Rahovina vao ho tody
Ilay masoandro mody
Tsy misy fiatsarany
Ny tontolo hita maso
Tsy maintsy misy fiafarany
Fa endraso endraso |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hody | HODY | Fredy Jaofera | HODY
Ho avy aho, ry tiako, hody tsara indray
hametraka eto kosa 'rony ratra fahizay,
hitondra hafaliana ho moramora tonga,
hanalanala saona tsy hisy izay mironga.
Ho avy aho, ry tiako, hivazo zava-tsoa,
hanova ankehitriny ny sento tany aloha,
hamariparitra ny dia ho toky lalandava,
hamotika tanteraka 'reo ora t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.diva/volana | VOLANA | R.DIVA | Iangaviako ianao ry volana.
Iangaviako ianao mba hitondra izato hafatra.
Manina azy aho mantsy ka malain-komana,
Malahelo ka te hahita azy fatratra.
Lavitra loatra izato elanelan-tany.
Izy any fa izaho aty lavitra aty.
Lazao azy hoe mangatsiaka hono ilay akany,
Kanefa omeo toky izy fa mbola ao hoe ilay fitia.
R... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.diva/ho-entiko-ianao-itety-ny | ho entiko ianao itety ny | R.DIVA | ho entiko ianao itety ny tontolo.
hamakivaky iny lalan-kasambarana iny,
ho diavintsika ny faratapon'ny kanto iray manontolo,
Ka hiaraka hiventso ny aingan'ny foko.
Dia izao.. adinoy ny adi-tsaina.
Velomy indray ilay fanantenana anananao.
Tadidio fa mbola misy ny maraina.
Ka miezaha mitsiky foana raha mbola azo a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fandeferantsoa-julien/voady-iny-voady-zay-nifa | VOADY Iny voady zay nifa | Fandeferantsoa julien | VOADY
Iny voady zay nifamerana
Tsy ho adinoko na ovina
Tsy henamaso na fitserana
Fa tena tanjona sy fanirina
Aoka ho tsaroina eny fona
Naiza naiza misy anao
Ilay voady tsy ho foana
Sy ilay toky nomeko anao
Ireo voady no mamatotra
Ny toky zay nomena
Aoka mba tsy hivadika
Na mahatra na manankarena
Ny fitiav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.a.z.n/hafanagna | ~~HAFANAGNA~~ | R.A.A.Z.N | ~~HAFANAGNA~~
nandeha ny resaka
samy nahita ny hafanana
mpivahiny na ny hefa mipetraka
dia mahita fa misy fafiny ilay tanana
resaka hafanana
nefa tsy araka ny heritreritrao
tsy fahalemana na maripana
fa ny filiny rehetra atao
Ambohipaky arivariva
kalizy ambony feo
manafo jiaby mirizariza
mifanazava fa tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/justin-tahirisoa/tsimbalivaly | TSIMBALIVALY | Justin TAHIRISOA | TSIMBALIVALY
Fony aho niangavy nizaha fanampiana,
Latsaka am-pandrik’ilay tsy fisiana
E! Tsisy nihaino ity antso, toreo,
Toa vato maty ilay fonareo;
Tsy kivy anefa aho na tsisy nijery,
Ny Tompo miahy tsy namela ho irery,
Izy nanefy ahy, k’indrao tafajoro
Nanjary manda tsy mety mikoro.
Tsimbalivaly ny fiainana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramandrongony-anhabakabaka/mitomany | MITOMANY | SANTATRA RAFENOMANANTSOA | Mitomany ny fo mahatazana irony talaho
ataon'ilay tia amin'ny tiana mandao
dia manontany tena hoe mantsy raha mba izaho
no itomanian'ny tiako toy izao
Dia ho sambatra ny foko satria
izany lehiretsy no tena fitia
nefa moa rahoviana vao mba hisy
izany voninkazo itomany ny fo tena tia
Ny tazako sy hitako zao dia n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-niary/nofy-ho-tanteraka | NOFY HO TANTERAKA | Andry Niary | Indreto olon_droa
Miombona fitia
Izay miray fo
Maniry ny ho doria,
Izany fikasany
Iriana ny ho tanteraka
Ho ambinina hatrany
Na dia tsisy ny tanteraka.
NY ANY AORIANA ANY
Dia i Sedera ho lasa dada,
Ary i Sitraka ho neny,
Ny Zaza mibadabada
Ho hafaliana ombeny2.
Ny andro volamena
Hanaovana voady
Ary koa n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/impiry-moa | IMPIRY MOA? | samiir lien'ju Rafaralah | impiry ianao nanoratra,impiry ianao namafa
impiry ianao no sitrana
impiry koa naratra
impiry ianao no lavo
impiry koa nitraka
impiry ianao nianjera
nefa ankehitriny tafatraka
ankehitriny efa tafa
de bobaka ny te hisisika
ankehitriny efa nanidina avo
de bobaka ireo te irisika
itsapa ny alalin'ny rano
te iar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-ndh/fahatsiarovana | Fahatsiarovana | Avoss Ndh | Fahatsiarovana Sisa No Napetrakao
Anao Tana Fa Lasa Nandao
Tononkalo Ity Nataoko Hirahira
Soratako Ho Anao Ataoko Souvenira
Fa Ianao Tsy Hiverina Intsony
Fa Efa Lasan'olonkafa Ny Fony
(inspirako)
Auteur : Avoss |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ry-lay-tsy-tia | RY ‘LAY TSY TIA… | RRAG | RY ‘LAY TSY TIA…
Tsy ‘lay tsikinao nanori-tava,
na ‘reo teny mamy naloakam-bava,
no entina indray hambaboana ny foko,
satria raha ianao dia efa nafoiko.
Efa nasoloko fitia ‘ray vaovao,
‘lay hany nahafafa ny rimbon-talaho,
izay navelanao tanatin’ny foko,
iny ‘ndray izao ‘lay tokan-tsy foiko.
Tsy ‘lay tambitamby... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-ny-ratra | MISY NY RATRA... | Fredy Jaofera | MISY NY RATRA...
Misy ny ratra
tsy entin'ny taona
fa mamahatra
mila hampisaona.
Misy ny ratra
ao anaty mangina,
na ela nihatra
dia fangirifiriana.
Misy ny ratra
mbola tsy sitrana,
mivatravatra
no tsy mamitrana.
Misy ny ratra
mandoro ao anaty,
tsy hita fatra
no tsy mety maty. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-ranomaso | MISY RANOMASO... | Fredy Jaofera | MISY RANOMASO...
Misy ranomaso
mipololotra ho azy
eto ka andraso
fa mafy toy ny sazy.
Misy ranomaso
tsy hay hotantaraina
fa efa an-kaso
nampandrera-tsaina.
Misy ranomaso
mandratra lalandava
fa nanasohaso
izy iny no nandrava.
Misy ranomaso
gidragidra nanadala,
andeha alefaso
ny hira re mba hiala. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/mba-saino-izany-anio | MBA SAINO IZANY ANIO | samiir lien'ju Rafaralah | Dia faly,niedinedina,ilay kiala kely fa nahazo olon-tiana
Toa nibitabitaka,ary safononoka sy ampo -pifaliana...
Nanolotra ny vatany,fa tsy nisy zava-patany,
Eny,hatramin'ilay voarara,dia nomena tsy ampiheverana,
Fa ity fo adaladala hono ny azy tsy mba hanenina
Ka hadera ny vahoaka ilay tokony hafenina,
Ataoko hoe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hitia-mangina | Hitia anao mangina | Nalison Randrianaivo | Hitia anao mangina
Ravaka a, Tiako ianao ry Ravaka a
Tiako ho Ravaky ny tokan-tranoko
Isan'andro aho akia dia mivavaka
Mba ho andronao koa ny androko
Rija a, Azafady ry Rija, Mifona aho
Efa fantatrao aho fa manam-bady
Tsy hoe tsy tiako akory anao
Fa any an-kafa re mba mitady
Ravaka a, Tiako loatra anie ianao e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-niary/vavaky-ny-maditra | VAVAKY NY MADITRA | Andry Niary | Ry Raiko,ankiniko Aminao,
Ny fiainako tontolo
Ireo soa natolotrao
Ankasitrahiko daholo
Ireo sedra maro izay manefy ahy
Anatsara ny fiainako sy ny toe_panahy
Ifonako Aminao ny fahotana vita
Maro izy ireny,ts azo odiana tsy hita
Ny famindram_ponao izay tsy mety ritra
No antenain'ity zanakao maditra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss/agnaty-fo | Agnaty Fo | Avoss | Vangaindrano No Niaviako
Ary Tsy Mba Hivadiako
Tsy Adinoko Mandrakizay
Ny Tanana Misy Anay
Fa Io Ny Tany Nahabe
Ary Nahitako An'i Dadabe
Tsy hiala agnaty foko
ary tsy hosoloko
na aty an_tany lavitra e
hafa avao gne tany nahabe
Tiako Ka Hirearehako
Vangaindrano Evao Gne Tiako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yashro-hermance/vahandanitra-jean | VAHANDANITRA Jean | Yashro Hermance | tantara maro,ireo nosoratany
namakafaka isan'andininy
fandinihana tsotra
izay nohalalininy
ny ataony kosa
tsy mba adinony
olona iray malemy fanahy
VAHANDANITRA tokana ihany no ahy
nanoratra ireo karazan-tantara
nametsovetso ny tiany hambara
andray!ty fahaizany mamoron-tantara!
lova tahiry sy tena tsara
nato... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niaina/herim-pitia | HERIM-PITIA | NIAINA | Tsy mampaninona ahy
raha toa ka ny fisiako
No heverinao tsy misy
Manoloana an-janakao
izay niantefan'ilay fitia
Avy ao anatiko ao
Tsy mampaninona ahy
Raha toa ka fahanginana
No setrim-piarabako
Fa ny tiako ho fantatrao
Dia ny bitsiky ny foko
No naniraka ahy ho aty
Manoloana ilay fitia
Raha ny resaka fitiav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.a.z.n/-lehibe-jehova- | ~~ LEHIBE JEHOVA ~~ | R.A.A.Z.N | ~~ LEHIBE JEHOVA ~~
maraina ny andry
tonga ny tsy mbola hita
hibalika indray ny masoandro
hanazava indra antsika
tsy talako maso
na ho takan'ny saina
lasa milentika ny masoandro
nefa indro indray ny maraina
tsy fahagagana
fa tena fahaizana
ireo kintana higagana
avo dia avo ny fahaizana
mendry ho sahinina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/loko-tokana | LOKO TOKANA | hjravs | Tsy resaka antoko
raha babo ny foko
f'ilay izy mandoko
'zay rehetra ilaina;
Mahay manandro
f'ho tsara ny andro
ka hisy masoandro
rahampitso maraina;
'Lay "volomboasary"
mandoko ny sarin'
ny zavaboahary
mbola "velona, miaina";
Maneho hatsarana;
mizara hazavana
sy fanantenana;
mampifaly ny saina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss/araraoty | Araraoty | Avoss | Ny Fiainana Mandalo
Ka Araraoty Dian'izao
Fa Rehefa Lasa Ao
Tsy mba Hitanao
malama maina ny tany
ka aleoko mihirahira
f rhf miala eto an_tany
mba ef nisy souvenir |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/diso-aho | DISO AHO | Zoky Eric | Ifonako malala fa tsy mety ny nataoko.
Ireo nolazainao,indrisy tsy nahoako.
Nampijaly anao aho, nampirafy anao.
Diso aho,nefa tsy misy azoko hatao.
Tsy anjara ny antsika, eny tsy anjara.
Na tia aza ny foko, efa voarara.
Ilay fitia niredareda, indrisy efa nangatsiaka.
Tsy anjara ny antsika.
Nofinofy fotsiny, ila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/nofinofiko | NOFINOFIKO | samiir lien'ju Rafaralah | NOFINOFIKO
mba tena tiako zao,
raha iny lanitra iny,
no takatro amin'ny
tanana
ny kitana amam-bolana
angoniko avokoa
ny avy any andrefana,
antsinanana.
hatolotro ilay tiako,
ataoko fanomezana
sy ataonay fahatsiarovana,
ka rehefa any aoriana
dia hotsaroina foana
ireo tsiaro tsy nirodana.
mba satriko tokoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/mba-omeo | Mba Omeo | Avoss jah | Mba Omeo Vola Sy Harena
Fa Mijaly Ny Tsy Manan_karena
Mba Omeo Trano Hialofana
Mba Omeo Bodifotsy Hirakofana
Mba Omeo Fiainana Tsara
Manakaiky Ny Fiainana Lafatra
Mba Te Ahita Ny Tsaratsara
Mba Ampiadana Ahy Tsara |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramandrongony-anhabakabaka/mety-ve | METY VE? | SANTATRA RAFENOMANANTSOA | Mety ve ry Andriamanitra
raha mangalatra ny tenako?
dia hanasoavako 'reo mahantra
'reo volabe sy 'reo harenako
Azo tamin'ny tsy rariny
nefa koa mba nangalariny
koa mba valio re ry tompo
ny momba ilay raharaha maloto
Dia 'reo hare-maloto etoana
no entina ampandrosoana
'reo mahantra mivavaka
Nefa miaina anaty ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ilay-tanjona-niriana | Ilay Tanjona Niriana | Nalison Randrianaivo | Ilay Tanjona Niriana
Ilay Tanjona Niriana
Tarigetra niombonana
Ka mila fahavononana
Raha tianao ho tafita
I Gasikaran-tsika
Dia ndao hiray hina
I Dada no fidiana
Ilay Tanjona Niriana
Dia ho Filoha vaovao
Ny taona ho avy izao
I Dada Ravalomanana
Ka ndao re tohanana
Fa mila azy ny rehetra
Tanterao ilay tari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramandrongony-anhabakabaka/mba-ho-fanavotan-tanindrazana | MBA HO FANAVOTAN-TANINDRAZANA | SANTATRA RAFENOMANANTSOA | Raha ny aiko miala
ry tanindrazako malala
no anavotra anao
amin'izao fotoana izao
Dia tsy maninona aho fa vonona
anao ny tenako ho sorona
ho fanavotam-pirenena
miainana anaty mahonena
Ka tsy ihemotra aho Ragasy
na iza hanapoaka basy
manoloana izato foko
fa dia vonona aho hiroso
Ary hiroso hatrany hatrany
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/ho-tia-azy-ianao | Ho tia azy ianao... | Ra'Ony | Ho tia azy ianao,
Saingy tsy amin'ny nofo 'zay hita fa malia
Fa tsy izay hita maso no manaitra ny fitia...
Fa fanahy nifanaiky tany ambadiky ny alina
No ho tonga hazavana anivon' ito alina...
Ho tia azy ianao,
Tsy safidy maty paika mikatsaka ny lafatra,
Fa ny fo izay nifanaiky tany ambadiky ny fantatra...
Sat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/resy-lahatra | Resy lahatra. | Nalison Randrianaivo | Resy lahatra
Nodiniako ambony, nodiniako ambany
Nofakafakaiko, nohalaliniko tsara
Fa raha sanatria i Dada no tsy lany
Dia voavarotra tanteraka i Madagasikara
Aiza moa ahavitana izany Miami izany
Ary koa ity izy asiana puce hono ny omby
Angamba poakaty sy nofinofy ihany
Fa ny tena loza dia izy nisy nitory
Koa r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/nisy | Nisy... | Ra'Ony | Nisy tena nisy, mozika tena hafa nanaitra ny fanahy,
Nisy tena nisy, kalo tena hafa nanaitra mba ho sahy...
Nisy koa mba nisy, endrika tadidy tsy lefy torimaso.
Fa nisy koa ka nisy, orana nijojo nitondra ny ankaso.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/raiso-am-pitiavana | Raiso Am-pitiavana | Nalison Randrianaivo | Raiso am-pitiavana
Na olo-tsotra na mpanao politika
Ka hanohana an'i Dada Ravalomanana
Aoka tsy ho sanatria ka holavin-tsika
Fa Raiso am-pitiavana
Fa tia Tanindrazana
Na atoko inona na finoana inona
Ka hanohana an'i Dada Ravalomanana
Ekeo foana, Fa i Gasikara no banjinina
Dia Raiso am-pitiavana
Fa tia Tanindr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramandrongony-anhabakabaka/neny | NENY | SANTATRA RAFENOMANANTSOA | Neny ilay loharano nipoirana
raha tsy nisy azy isika dia tsy mba toy izao
neny ihany koa ilay mbola nisahirana
nanabe sy nikolo ary nitaiza anao
Tena tiany ianao matoa anariny matetika
fa tsy hoe fankahalana akory ireny fibedesana
satriny hiposaka ny fiainanao milentika
matoa ianao kapohany amin'ny hazo famelesa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fohery/ianao-ry-sombiniaiko | Ianao ry sombiniaiko | Fohery | Ianao ry sombinaiko
No hany sisa antenaiko
Hanasitrana ny fery
Sy hitsimpona ny very
Fa ny amiko efa vita
Andro vitsivitsy sisa
Efa tomotra aoka izany
Ny ora iainako eto an-tany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramandrongony-anhabakabaka/jamba | JAMBA | SANTATRA RAFENOMANANTSOA | Jamba aho teo aloha
jamba aminao ry Andriamanitra
diso loatra tsara fo
ka tsy nijery afa tsy lanitra
Diso nanao ny marina loatra
ka tsy nety mba nivoatra
fa nahantra foana teny
noho ny herinao ry teny
Ankehitriny aho zao mahiratra
mahiratra aminao ry tsy misy
lasa deba toa Didier Ratsiraka
raha vao nitanjo n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/resy-lahatra-12473 | Resy lahatra | Nalison Randrianaivo | Resy lahatra
Nodiniako ambony nodiako ambany
Nofakafakaiko nohalaliniko tsara
Fa raha sanatria i Dada no tsy lany
Dia voavarotra tanteraka i Madagasikara
Aiza moa ahavitana izany Miami izany
Ary koa ity izy asiana puce ny omby
Angamba poakaty sy nofinofy ihany
Koa ilay any Frantsa aza nitory
Koa raha io ve no ... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.