url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.a.z.n/any-lavitra-any
~~ANY LAVITRA ANY~~
R.A.A.Z.N
~~ANY LAVITRA ANY~~ any lavitra any ilay malalako any many irery ilay anjarako samy malahelo izahay fa tsy maintsy miafy ekena izay lahatra tsy asina gafy any lavitra any tena tsy hitako tsy mampino nefa misy olona tiako raha ny hanolo azy tsy eo ataoko tsara tantana tsy ho leo tsy ataonay maha kivy ny halavir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/indrisy-mantsy-ry-kitana
Indrisy mantsy ry kitana
R.N Randriii
Indrisy mantsy ry kitana Avo tokoa mantsy ianao Izay mitady andragotra Maratra fotsiny tsotra izao Indrisy mantsy lanitra Nahoana no sembanin-drahona? Rehefa nandinika aho Sarotra tokoa ny hiantsampy ny kitanao Maneke re ianao ry tany Satria izay no anjaranao Mila manaiky ny voarinao Fa tsy izy no mpahary I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramandrongony-anhabakabaka/mila-manana-toe-tsaina-mitondra-makany-aminny-fampandrosoana-isika-malagasy
NY TOE-TSAINA
SANTATRA RAFENOMANANTSOA
Ny toe-tsaina no mila amboarina raha isika Gasy mba te ho tafarina satria mila miainga avy amin'ny vahoaka ny fampandrosoana raha te mba hivoatra Raisiko ohatra ny resa-pahadiovana eny amin'ny toerana izay ho lalovana raha isika mahatsapa fa maloto ny lalana dia isika no tokony mba handray an-tanana Esory ny mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.a.z.n/-fahiny-
~~ FAHINY ~~
R.A.A.Z.N
~~ FAHINY ~~ teo amin'ny andro farany ,ianao sy izy niraikitra tao aminao ny anarany tokatrano namafisin-ankizy ilay rotsirotsy tsindry fe nolanina eny amorompatana tamin'ny andro farany tsy nahatsindry ilay fe fa ilaina ho voafana amorompatana tapitra teo ny fanalanazy satry manery ny ankizy tsindrin'ny adi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/ry-mpihatsara-hivelan-tsi
Ry mpihatsara hivelan-tsi
Ra'Ony
Ry mpihatsara hivelan-tsihy, milalao ny firenena Moa ny tanindrazako ataonareo filan-karena? Ireo razambeko niady, nanao vy very... Jereo hianareo manao bodongerona, mivarotra antery. Izahay moa malemy, tsy manana fiadiana Tsy misy vola atsindry ra hitady fitoviana, Amin'ireto mpivahiny nahazo avarapatana Dia ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.a.z.n/fahinin-drazako
~~FAHININ-DRAZAKO~~
R.A.A.Z.N
~~FAHININ-DRAZAKO~~ tiako ny hanandratra ny hay ,nefa indrisy mila hangatsiaka tsy hay heverina ho tsy misy ilay tononkalo faendren'ny fahiniko tena adino natao antsirambiny tsy haiko tsy ho fihiniko tiako ny hamelona ,nefa tsy vitako samy irery sanatry atao veloma fa hanao izay tratrin'ny haina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.a.z.n/-fivoarana-
~~ FIVOARANA ~~
R.A.A.Z.N
~~ FIVOARANA ~~ irin'ny rehetra ny ahay ,fa sarobidy ny mahafantatra hikaroka ny tsy hay ,hanamafy ny efa fantantra nivoatra ny fahaizana nihatsara ny tekinolojia nanamaivanana fiainana ,fa tsy nifamitahana sanatria tsy tsapa ny hafa ,nefa nisy namorona miazakaraka mafy de manidina toy ny vorona fivoarana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramandrongony-anhabakabaka/raha
RAHA
SANTATRA RAFENOMANANTSOA
Raha mbola tao am-bohoka ny vatana masoandro d'efa kotsakotsan-drano iny vodi-lani-manga iny habakabak'iny tondratondra-dranonando ny faladim-panahiny toa tsy mitafy lamba Nihintsana vao aliny iny ravinkazo maina fa nirodana ny elo nanatroka ny havoana ireo lavadava-pito sisa no any singotr'aina hanohitra ny tsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/satriko-hihira
satriko hihira
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Satriko hihira! satriko hiraina isa-maraina, ireo hira mamy navalon'ny omaly satriko hiraina tankariva ireny kalon'ny antsiva mampatsiaro ny fahiny satriko ireo hira ankehitriny no ho ventesiko isan'andro saingy mbola misy kalo sy hira tiako hiraina dia ireo hira mamin'ny aina, mandona ny fanahy no tiako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-miala-aminny-dada
Tsy Miala amin'ny Dada
Nalison Randrianaivo
Tsy miala amin'ny Dada Maro tokoa ny Fanaratsiana Ao ihany koa ny Fanambaniana Dia Foronina daholo izao sy izao Mba Hampandotoana anao Maro tokoa ireo fiantsiana Ny Herisetra sy Fampiadiana Dia lazaina foana fa avy aminao No nahatonga izao fahantrana izao Misy milaza fa hoe mangala-bato Ny Fanasoketoana anao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/and/-lovako-ny-fahaizako-
--LOVAKO NY FAHAIZAKO--
and
--LOVAKO NY FAHAIZAKO-- fahaiza no lova tsara ka atao filamatra nefa tsy hitahita foana fa mila mianatra ny manana azy mamiratra jerena hatanjaka eo amin'ny fiainana ary tsisy kilema fianarana no lova tsara indrindra ny manana azy ny fiaina mirindra mikiriza milofosa mba ho tafa fa ny fiainan'ny tsy nianatra ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/i-dada-jerena
I Dada jerena
Nalison Randrianaivo
I Dada jerena Raha tianao handroso ny Firenena I Dada jerena Raha tianao hiroborobo ny fambolena I Dada jerena Raha tianao hivoatra ny fanatanjahan-tena I Dada jerena Raha tianao i Gasikara hanan-karena I Dada jerena Raha tianao hiala ny fijaliana I Dada fidiana Raha tianao hiroborobo ny fiompiana I Dada fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ampy-izay
Ampy izay
Nalison Randrianaivo
Ampy izay Ampy izay, Izay sivy taona izay Aoka isika mba ho tonga saina amin'izay Tsy tokony hisy intsony ny rà mandriaka Tsy tokony hisy intsony ny fampiadiana an-tsika Ampy izay, Fa mila an-tsika hiavana Fa mahantra loatra anie ity tanindrazana Fa isika variana miady sy mifandrabiraby Hany ka ny firenena no m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hamafiso-ny-hery
hamafiso ny Hery
Nalison Randrianaivo
Hamafiso ny Hery Hamafiso ny Hery, Ry zanak'i Dada Ny firaisank-kina, Tandrovy mialoha Isika Mpanangana, Fa tsy mpandrava Ataovy an-tsaina, Hoe Dada no filoha Hamafiso ny Hery, Ry zanak'i Dada Entano ny olona, Mba ho tonga saina Mbola maro tokoa, Ireo no mpandrava Koa Misahia mijoro, Fa aza malaina Hamafiso ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/any-izy-any
Any izy any....
Sento tokana
Manganohano am-pahanginana Tomanin'alahelo Noho ny tsiaro tsy azo idifiana Nohon'ny lasantsika mbola eo. Ny masoandro mody am-pitsikiana Izaho hitsena alim-pahoriana Alim-pahatsiarovana ny lasa Alina itomaniako dia hampitombo indray ny ratra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ako-mandrotsy/-manamafy-
--MANAMAFY--
Ako-mandrotsy
--MANAMAFY-- tsy hoe voan'ny toloko na hoe solafaka ka manjoko fa zao zaho vao mahalala kay ny fitiavana mamanàla toa tsapako ny hasambarana satria ny efa ela tsy mba nifarana ho mandra-maty ny tanjoko ka tsy ho soloina toy ny ankanjoko tsy mampatsiahy fa manamafy za ho anao mandra-maty hafoiko ho anao ny ai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niaina/maty-aho
MATY AHO
NIAINA
Maty aho fa tsy hiteny intsony Efa iny ny Anjely eny ambony Maty aho fa tsy hiteny intsony Ireo tantarako rehetra avalony Maty aho fa tsy hiteny intsony Ireo zanako ireo mba velomy Maty aho fa tsy hiteny intsony Ireo momba ahy ajanony Maty aho fa tsy hiteny intsony Mahereza zareo aza kivy Maty aho fa tsy hite...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/mitafy-rongony-fotsy-madi
Mitafy rongony fotsy...
Antsa tononkalo.R
Mitafy rongony fotsy madinika ilay poeta. Mifono, mitafy.... Hatsarantarehy. Mihira izy... Tahaka ny an'ireo vorona an'ala, tsy amin-kira,tsy amin-tonony Ka indro velonkira izao tontolo izao. Mitafy rongony fotsy madinika ilay poeta. Mitafy, mifono... Hatsarampanahy. Mahatsiaro izy... Dia miverina ny lasa, manao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/sentoko-iny
Sentoko iny
Sento tokana
Sento malefaka Tsy misy mamaly Olona efa ketraka Toa mijalijaly Senton'alahelo Tsy misy mandre Ilay fo mamelovelo De mba ahoana re? Senton'irifiry Tsy misy mahita Ilay fitia mankadiry Toa zary tsy tafita Sentom-pijaliana Tsy misy ipetrahana Tsy mapatory ampadriana Tsy mamela an-dalana Senton'ahiahy Tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rtv/aingampanahy-misy-zatovo
Aingampanahy Misy zatovo
Rtv
Aingampanahy Misy zatovovavy iray Izay tena tiko lotra izy zay Nefa tsy sahiko hambara aminy Ilay fitiavana ato am-poko ato Tena tiko lotra izy io saingy izao Raha mba sahiko ambara aminy mantsy Dia mety ho tia ahy ihany izy izay Fa asa aloha izy raha mba tia ahy Fa ny fitiavako azy mitombo isaminitra Ka raha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.a.z.n/-ny-fotoana-
--NY FOTOANA--
R.A.A.Z.N
--NY FOTOANA-- mahagaga ny eto antany tsy hialan'ny sento sy tomany ny olombelona no lasa tsisy safidy fa izy no masy mandidy manorisori,masorena fa tsisy avelany na ory na manankarena manao manjaka tokana ary mandidy azy tokana ny fotoana no lasa akaso mandroba toy ny malaso fandreberebena tsy mijanona man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/justin-tahirisoa/izaho-sy-ny-kabary
IZAHO SY NY KABARY
Justin TAHIRISOA
IZAHO SY NY KABARY Izaho sy ny kabary, Fiombonan-drano, vary Na an-tsaha na an-tanàna Miray dia fa mpiakama Vato ny firaisanay Velona mandrakizay Tsy mahay mifankafoy Tanana miara-mamoy Miara-gasigasy hatrany Iray tsiky sy tomany Iray donadonak’afo Mifameno mba hanako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriah-mampionona-mialy-mirana/-mankasitraka-
--MANKASITRAKA--
andriah mampionona mialy mirana
--MANKASITRAKA-- vivy ho no,tompony rano raha ny hitsikitsika topon'ny dihy mpanabe rain'ny fahendrena sekoly sambo ny fahombiazana tia fandrosoana ny mpanabe ka tsy mitsahatra hamoaka ireo tanora marobe ianareo no masoandro mamiratra manatsara ny hoavinay hamiratra tsisy dikany raha ny fisaorana nefa izany n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.a.z.n/-misaotra-azy-
--MISAOTRA AZY--
R.A.A.Z.N
--MISAOTRAZY-- tsy homby tratra ny hafaliana ka ny fisaorana no atao betsaramankasitraka ny fanampiana ka io no voaloan-dresaka tsy ho ataoko ny hanadino sanatria ny hamafa na hanaovako voady tsy manino tsy ho adino na misy ny hafa ataovy rotsirotsy ireny tsara natao raha toa ka mitamberina hira malefaka ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niaina/ny-any-ambanivohitra
NY ANY AMBANIVOHITRA
NIAINA
Ny any ambanivohitra,sakaiza tsy mba foiko Toera-mahafinaritra,hankamamin'ny foko Ilay rivo-manitr'iny mitsoka toa malefaka Ny feom-boronkely,mivazo tsy mba reraka Ny korana takariva eo an-tokotaninay Miara-manala azy dia mitsiky kely indray...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roland-savio-rafanomezantsoa/malokila
Malok'ila
roland savio rafanomezantsoa
Efa madiva ny ho dify 'lay masoandro mena fify Ka ny hazavana manjopiaka Hodimbiasana haizim-pito Izay no fiainana eto an-tany Haizim-pito sy hazavana Mifandimby tsy hay resena Ny tantely sy tangena Mantsy raha mety ny atao Haravoana sesilany Fa raha ho avy ilay tsy mety Na iray segondra aza tomany Ny ray s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/mankany-am-pasana
Mankany am-pasana
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny fanefitry ny aretina, Dia ny fanafody ihany! Fa ny fanefitry ny naratra, Dia ny mitomany! Azo atao anefa ny misoroka ny aretina, Dieny mialoha! Azo atao koa noho izany ny mitandrin-tena, Dieny mbola tsy nisy nahavoa! Feno mpisetrasetra mantsy eto, Izay tsy misaina afa-tsy ny hanimba firenena! Dia ireo izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/and/-ny-adiko-
--NY ADIKO--
and
--NY ADIKO-- hiady mafy aho hamakivaky ny hozam-piainana voadona mafy aho ka vakivakin'ny hosam-piainana ka ho reharehan'izay manana ary ho-izy no faendrena ho fitaratra sy namana fa izany ny adiko hitazona ilay fanantenana tsy hampiova ny tanjoko ka ho rehareha ny eo antànana (R.A.A.Z.N)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rtv/malala-a-tiko-lotra-enao
Malala a tiko lotra enao
Rtv
Malala a tiko lotra enao Aza atao makarary Ilay ditraditra keliko ireny Fa za anie ka tena babonao e Ka aza avela fa tianao lotra Adala ozizy enao , nefa izay Anie malala ilay teny hoe izay tia Adala e, ka mba ekeo re raha to aka sitrakao Malala a tiko lotra enao, Raha ny fitiavako anoa anie malala e Tsy ata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/mahantra-aho
Mahantra aho
Vetso mena
_ fantatro ary tsapako ilay fahantrako Mampakivy, maha-ory, namparary anaty Fantatro ary aiko, fa tsy manana aho Toy izay no hilazako ny androko androany _ mahita ny manodidina aho, toa mba manana Mahavita mividy akanjo, mihinana etsy sy eroa Izaho toa irery, ato anaty akanjo tokana... Rehefa mahita hohanina iny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/poeta-nitia
Poeta nitia
Vetso mena
_ Nitia ianao nolaviny ka noventsoinao an-kalo Tsy mba noharatsianao, na nozoninao ho fahavalo Fa mbola tao foana, lay fanantenana ny ho Azy Ka nosoratanao an-kalo indray izany androany. _ Ianao ry Poeta, niezaka ny nanolotra fitia Na ny kalokalonao aza nahitako hoe tena tia Saingy hay moa ity olon-tianao, efa ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-lahy-sy-ny-vavy
Ny lahy sy ny vavy!
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny lahy sy ny vavy dia tsy mitovy velively, Ka aza atao mihitsy ny manasahala azy! Ny lahy amin'ny maha lehilahy izao mantsy! Dia tsy ho vavy mihitsy mihitsy. Hita taratra io ao anaty fiaraha-monina, Ny lehilahy ao manana ny manavaka azy! Izay tsy azo esorina aminy na oviana na oviana, Dia hoe izy irery ihany no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saoly/conversion-les-gens-absents-francis-cabrel
Ry tsy hita
Lemady
Ririnina tontolo no lany, niandrasako hafatr'ho voaray. Fa toy ilay hazo ery antokotany tsy misy ravina na iray. Ilay nambolena zana-ketsa, nisy hitsin-dalana niforona. Izay mbola petsapetsa sisa itangoronan'ny vorona. Nandalo koa ny lohataona, masoandro hila havaky loha sola. Indreny tazana mifampitaona, en...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rtv/satria-ve-za-mahatra-dia
Satria ve za mahatra dia
Rtv
Satria ve za mahatra dia tsy tinao Satria ve za mavomavo dia halanao Tsy tsapanao mintsy ilay fitia Atolotro ho anao, nefa raha mba Tsampanao ihany aza ampijalina Ity foko tianao, fa mba raiso ho anao Aza atao fitiava varavara re e! Tinao ihany anefa ka atositosika kao e! Raha ny fitiavako anao dia mitombo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saoly/natao-ho-aniza
Natao ho an'iza
Ny angola
Natao ho an’iza moa ianao ry voninkazo kely tsara Izay mivelatra maraina? Natao ho an’iza mba lazao, fa mba manana hambara ‘Ty mpamboatra zaridaina! ‘Zato hakantonao madera sy ny hanitra miraraka Manintona mpijery…. Mba hataoko teny miera sao mba mety hifanaraka Ami-vaziko ho ahy irery? Efa tazako any ho any ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mendrika
Tiako I madagasikara
Nalison Randrianaivo
Tiako I Madagasikara I Gasikara mandroso, No tanjona hiriana Koa mifankatiava isika, Ho firaisank-kina Atsaharo ny fanaratsiana, fanambaniana Ny ho avy banjino, Ho soa any aoriana I Gasikara milamina, No tena ilaina Mila an-tsika miaraka, Raha te ho deraina Mila mihavana isika, No tena hantenaina Dia i Gasikara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/fitiavann-poeta
Fitiavan'ny poeta
Vetso mena
_ tsy hay fantarina ary sarotra sedraina Ny mety ho ao am-pony sy ny ao an-tsaina Raha mbola poeta, lay olon-tian'ny tena Mbola tsapa avokoa, ny asa sorany mahonena _ Izy poeta na hitia anao amin'ny fony aza Betsaka ny asany, tsy hay nefa nampalaza Noheverinao fa momba anao, hay ny an'ilay taloha Ka somary nane...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roland-savio-rafanomezantsoa/mbola-manantena
Mbola manantena...
roland savio rafanomezantsoa
Misy ve ireo efa nateraka hijaly Notoronina hizaka fahoriana? Eny na vao nitsaika tao am-bohoka No efa niaina fahantrana Monja aho vao tonga teto an-tany Nandao ahy sahady i neny Tsy navela sy norarana Ny iaiana ilay hantahanta amim-dreny Raha mba teo mantsy ianao ry neny a Ngamba toy izao ny niafarako Tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/lova-tsara
Lova tsara
Karako
Tia manimba Sy mizimba Tia mandrava Sy be vava. Tia mivaza Tsy manaja Loham-boto Ka manoto. Tia mandaka Mpanambaka Mampiady, Mampandady. Volomboasary Tian’i Kary Sary ihany, Hanihany… Tsisy jery Fa dindery Mpanamondra (1) Te hitondra. Mpankahala Mpanadala Toa tsy hendry Te ho voatendry. Aza danà...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/raozim-pahendrena
Raozim-pahendrena
Vetso mena
_ androany aho Ramalala, hiteny kely Aminao Noho isika efa ela niarahana, tsy nifandao Efa naniry ary nivelatra,lay raozin'ny fitia Ka nahatonga antsika roa ho lasa mpifankatia _ ankehitriny anefa dia efa heritaona androany Lay fotoana niarahana, asa raha tsaroanao any Fa heritaona toy izao isika roa no nivoady ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/mbola-ho-antitra
Mbola ho antitra!
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Aza dia variana sy sondriana, Amin'ny endrika ivelany! Sao ho latsa-panenenana, Rehefa any aoriana any! Aza mirehareha amin'ny hatsaran-tarehy, Raha mbola eto an-tany; Fa mandalo mantsy ireny, Ka tsy voatazona mihitsy! Aza misaina ho tonga lafatra, Raha tsy misy tsiny koa ny bika! Ndrao ho lavo an-tsasan-dala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/sento-mangina
Sento mangina
Vetso mena
_ nisy maso iray tazako nijery anao hatrany Misy fo iray reko nitempo anao ihany Misy fanantenana iray naniry ny hotiavinao Misy eritreritra iray nikasa ny ho malalanao _ misy teny kely iray sarotra lazaina nefa hay Misy sento lehibe tena mandoro mahamay Misy kalokalo noventsoiny mangina Misy fitia iray tiany ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saoly/tokim-pitiavana-extrait
Tokim-pitiavana
Lemady
Ka inona ary no anoharana ilay fitiavana hila hamaky ny foko kely anatiko ao? Tsy hoe fitia varavarana, Na sanatria fitia paraky ka ho arorako ihany ianao. F'ilay nahary anao tarehy sy bika, Dia ilay Andriamanitra Tsitoha, mpandahatra, mpikolokolo. Toy ny itiavany antsika no itiavako anao koa, ilay Jaona tel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tsipolotra
Tsipolotra
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Fantatrao ve ny tsipolotra, Feno azy eny rehetra eny! Nefa tsy misy mivarotra, Masom-boly akory hambolena azy ireny! Tsy misy ilaivana azy mihitsy, Eny an-jaridaina. Ka tsy avela haniry, Sy mba hahita fiainana! Iza no mba tia tsipolotra, Toa tsy misy izany! Fa fatram-pankahala azy daholo ny rehetra, Tsy dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/menarana
MENARANA
Zoky Eric
Vao nahita anao aho, dia niteny hoe mifalia. Raha nahita anao, nigogogo nitomany. Voasarikao ny foko, ka nanolotra fitia. nilazako ianao, tiako indrindra eto antany. Indrisy anefa ,fa efa nisy tao alohako. Izay nampirafy anao, hita maso miharihary. Nalahelo anao aho,ka avy dia nitsofohako. Nefa indrisy fa, lasa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/saino
Saino
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Tsy voatery amin'ny fitenenam-poana, No anehoana fahatezerana; Fa ny tena fahendrena, Dia ny mitory fandeferana! Tsy ny avonavona ihany koa, No hamatarana fa manana ny marina; Satria tsy amin'ny monkon-doha, Fa lakile no amahanana varavarana! Tsy ny sandry no midika inona, Ka hoentina hisehosehoana; Na anehoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nascri/fandrosoana
Fandrosoana
nascri
Ny fandrosoana anefa dia misy tokoa, koa andeha hifanampy isika Andrematoa. Mila fanampiana mantsy Madagasikara, mba ho isan'ireo firenena manatantara. Ny fandrosoana anefa no antokin'ny tanindrazana. Ny zavatra natao no aoka re ho tazana! Izy io anefa dia mila fiezahana. Miady mafy isika dia rava ireo sakana. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/roland-savio-rafanomezantsoa/gasikara
Gasikara
roland savio rafanomezantsoa
Ianao ry gasikara No nahazoako ray sy reny Ary ianao ry gasikara. No nampianatra ahy niteny Taminao ry gasikara Taminao no niandohana Ary ianao ry gasikara Ianao koa no iafarana Taminao ry gasikara Ilay fahendrena nolovaina Ka na ny teny na ny fomba Tsy avelanay ho very maina Ireo razanay fahiny Ireo taran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saoly/tompo-hoy-ianao-hoe
I kala anona
Lemady
Tompo ô, hoy ianao hoe: "Tsy tsara ny lahy raha irery." Te ho roa aho izao ka mijerijery vehivavy ampakarina ho vady. Zao nataonao sendra ahy ilay kinasako. Ondrinao, mahafeno izay nandrasako. Nambabo ahy rehef'ela nitady. Efa fantatrao ilay tiako ambara. Mitovy endrika aminao ka tsara. Nanintona ahy raha samy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tsara-tso-drano
Tsara tso-drano
Vetso mena
_ ny fandrenesako hoe misy olona tianao any No somary nampalahelo mafy nampitomany Kanefa naleoko ihany aloha mionona fa rava Ity fitiavana vao natomboka, ity mba fiarahana _ naleoko koa niala, tsy nasiako gidragidra Ny fandrenesako anao, nilaza azy fa hoe tia Mahareta akia miaraka aminy raha izy tokoa Ka aza er...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/hanoratra-ho-anao
Hanoratra ho anao
Vetso mena
_ raisiko ny peniko Fa sitraka sy teliko Ny hanoratra indray Fanantenana mampiray _ ka indro fa hosoratako 'Lay lasa, ny tantarako Ireo mba aingam-Panahy Izay tsy an-kafa fa ahy _ tsy mba poetan'ny poeta Fa mba te hitetateta Hizarazara aminao Ireo kalo rehetra efa tao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/kanto
Kanto
Vetso mena
_ hitoriako lay fitiavako, hizarako ny hasambarako Ianao ry Kanto, kantokanton'ireo kalokalo Hamoronako ny tsisy, hampiadiko izato rima Tsy ialako, tsy an-kitsitsy, kantokanton'ny fitia _ hitoriko hasambarana hizarako fiadanana Omeko ny soa sy ny tsara, hatramin'ny tantara Kanefa ekeko ihany fa sarotra ny maka an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/mbola-ho-avy
Mbola ho avy
Vetso mena
_ ny fahaiza-mionona rehefa misy manjo Ny fahaiza-miala ireny sakatsakam-bato No mbola mampiavaka anao ry namana Mampiavaka anao amin'ny fitiavana _ ny fahaiza-mikiry rehefa tsy tiana Fahaiza-mitazona ny faniriana Hoe rehefa tsy izy dia olon-kafa Any aoriana any ka mety ho tafa _ aza entim-pahakiviana ny fahita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ny-olon-tiako
Ny olon-tiako
Vetso mena
Ilay olon-tiako iray sady tiako no tia ahy No indro tena lazaiko fa io no silam-panahy Andry iankinan'ny foko, ataoko toy ny volamena Satria tsy mba an-kafa ny olon-tiako fa an'ny tena Izy no tena izy fa tsy ireny lasa rehetra ireny Izy no tena anjarako fa tsy ireo izay rehetra voateny Ny olon-tiako ahy irery, ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tao-am-pianarana
Tao am-pianarana
Vetso mena
_ Tao am-pianarana aho indray andro izay Nahita tovovavy kely manjamanja anakiray Dia niezaka ny niala Azy aho fa saingy indrisy Raha ny faniriako hanalavitra Azy toa tsy hisy. _ Efa ela no mba nahafantarako ny anarany Tamin'ny taloha, ilay mbola nihaona tany ho any. Saingy androany anefa, tafaray tato isika Ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/niafiko-irery
Niafiko irery
Vetso mena
_tsy ho haiko tsy fantatro Ny mba nahazo ity foko Fa toa naniry ka tia Ka nampiafy,tsy anjara _ fantatro, ary tsapako koa Fa anatin'ny fo, lay fitia Kanefa izy, tsy nanaiky Tsy nekeny, ny mba ho ahy _niafiko irery, aoka ho ahy Tsy voatery, hiaraka izahay zay safidiny, ka tsy lavina Zay faniriany, ka tanterah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/aleo-ho-ahy
Aleo ho Ahy
Vetso mena
_ fahiny aho lay nangataka fitia Tsy nahazo satria ianao tsy irery Efa nilaza fa manan'olon'ny fitia Ka nandona mafy Tamiko lay teny _ lay fitia niriako mba hampifaly Toa mafy Tamiko tsy ho zakako Nampitondra alahelo sy tomany Fa tsy tanteraka ny ahy sy ianao _ tsy nataoko hampakivy ela loatra Fa aleoko notazo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tsy-ho-ahy
Tsy ho Ahy
Vetso mena
_ nandao ianao tsy niteny Niala ianao tsy niery Fa lasa ka nandao Nefa izaho tsy ho vitanao _ nisaraka eto indray Tsika lay nifampiray Nifandao ilay dia Na dia mbola tia _veloma ratovovavy Mbola hisy ny ho avy Hanolo indray ny toeranao Lay toerana nindraminao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/donam-pitia
Donam-pitia
Vetso mena
_ lay fo voadona ka nitomany Very olon-tiana lasa tany ho any Nankarary mafy nahalatsa-dranomaso Fa izay ny Aminy fa nilaozany ianao _ alahelo mafy tsy nahitana torimaso Toa nangina nankarary nahavoa ny tazo Tena mafy Taminy nilaozan'olon-tiana Nefa izay no anjara, tsisy nenina raha tsy efa tara _ ny tomany sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/safidim-pitia
Safidim-pitia
Vetso mena
_ tao anatin'ny minitra vitsy monja No nivoahan'ilay foko mafonja Tao anaty segondra iray miserana No nanendreko azy ho anjara _ tsy ampy ahy intsony ilay endrikao Mahafatifaty, noravahin'ny tsikinao Fa mbola misy zavatra tiako halaina Tsy inona tsy akory,f'ilay fo feno fitia _ Ianao no voasafidy, tanatin'ny ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ny-efa-vita
Ny efa vita
Vetso mena
_ aza arahina hakiviana vontoson'alahelo 'Lay lasam-pahoriana sy feno fijaliana Fa avereno eto ilay tsiky mamerovero Ka ho feno hafaliana sy fahasambarana _ ireny vita ka lasa tantara Tsy voasolon'ny andro androany Fa ny hany azo ovaina sy soratana Tantaran'ny fiainana efa ho avy _ tsy hatao hampakivy ny androa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/lay-poeziako-fahiny
Lay poeziako fahiny
Vetso mena
_ Fahiny aho raha nanoratra irery Toa mirakitra fitia sy feno tebiteby Kanefa ankehitriny, naniry azy indray Ho fitia matotra sy tena mampiray _ fahiny aho rehefa teo am-panoratana Ireny nataoko ho tononkalo sy tantara Tsy mbola fantatro akory, fa nataoko mangina Ny nanoratra azy ireny, ka ho lasa poezia _ Fah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/satria-ianao-tia
Satria ianao tia
Vetso mena
_ matoa ny masonao mandinika foana Lay fonao mitempo mangina, n'aiza haleha Lay sainao izay maniry azy mba hilaza Lay fitiavanao toa nivadika ho sedra _ satria ianao no tia, saingy toa voasakana Satria lay fonao naniry, saingy voasedra Raha ianao mantsy no milaza, toa hafahafa Ka tsy hitanao intsony,zay atao sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/fitia-adaladala
Fitia adaladala
Vetso mena
_ Efa ela ihany aho, no naniry anao ry tovovavy Efa ela no naniry, naniry anao ho lasa vady Kanefa hay moa fihetsem-po miserana ihany Tsy ho tanteraka intsony izany raha ny androany. _ Na naniry aza ny fo, ianao efa an'olon-kafa Tsy ho ahy intsony na dia niriako ho fananana Saingy ny foko tsy hanaiky ry tovovavy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tiako-haharitra
Tiako haharitra
Vetso mena
_ Mba tiako haharitra tokoa lesy ny fiarahantsika roa Tiako mba ho feno fitiavana sy ho voky zava-tsoa Ka na misy aza ny olana tsy maintsy hosedraina Iarahantsika misedra na dia hiantra aman'aina _ Tsy hisy intsony ny mahasaraka ny fiarahantsika Fa mafy noho ny herin'ny tany ny fitiavantsika Fitia tsy mba mitanil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/mionona
Mionona
Vetso mena
Ry foko mionona fa aza mitanondrika Mahatsiaro ho voadona sy toa voakika Tsy ho anao izy fa sendra mba miserana Nefa noheverinao fa izy no honenana Ry saiko mitonia, aza asiana alahelo Ny nahitan'ny masoko azy vao teo Niaraka tamin'iny lehilahy iray iny Na dia mampatsiaro ny lasa sy ny fahiny. Aleoko mionona ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/mba-tiako-koa
Mba tiako koa
Vetso mena
_ mba tiako koa ny ho lasa poeta Toa anao io hamentsovetso an-kalo Mba tena iriako sy lasa hetaheta Ny miventsoventso ireny tononkalo Hanoratra ireny tantara mambabo fo Mba faniriako ny hirakotra ny asa soratra Ho lasa boky iray handrakotra ny tontolo _ mba tiako koa ny hanoratra ho an'ny onjam-peo Fa tena tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/tsy-ho-aiko
Tsy ho Aiko
Vetso mena
_ itako ny masonao, mangata-maso Tamiko Naniry ny ho ahy, naniry ny ho eo akaikiko Tsapako ny fonao, nitempo fitiavana ho ahy Naniry ny mba ho lasako, ho silam-panahy _ lay fihetsikao, lay firesakao, efa niova tanteraka Rehefa tafaresaka tsika, toa mitsapa lay fitiavana Kanefa raha ny Amiko, tsy hoe tsy matoky fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/voromahilala-roa
Voromahilala roa
Vetso mena
_ vao nahita, nifanojo, toa nifandray Ka niserana, ny fo, nanaiky ny hiray Nahatsapa, fa nisy, izany hoe fitia Nampiaraka,nampiray,ny mpifankatia _ nampanjaka,ilay fo, feno fitoniana Nifanaja,nitampofo, fa eo lay olon-tiana Izany, ka fitia, narahim-pahendrena Tsy mifanary, na mifanila, lay an'ny tena _ voromahi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/ventsoventso
Ventsoventso
Hatenaina
Ry rahona an-danitra miadam-pisosa Ry rano miavovona mila hiavosa Ry eri-mifafy mangina tsy re Ny foko efa manina mila handeha Ry anjely ao an-danitra an-tapitrisa Ny foko tsy mitsahatra mamisavisa Ilay andro hiverenako any amin'ny Ray Ka hifalian'ny foko eo an-tratrany indray Ry vola-mazava mateza jerena Ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-rahamefiarisoa/vadiko
VADIKO
antsa RAHAMEFIARISOA
N'iza n'iza eto an-tany tsy misy ankoatra anao izany Na iza hiseho mahery ianao hatrany aho ry neny na mahy io na matavy ianao ihany ilay vady inao ihany ry malala ianao ihany izaho tsy hiala ianao foana tsy miova ianao ihany no mpandova IANAO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rtv/aingampanahy
Aingampanahy
Rtv
Tompokolahy sy Tompokovavy, Irony rano eny avaratranon’Drazoky ony no tondraka tsy mamarovoro ary ritra tsy mampiseo fasika, ary ny voailahy mita ny ikopa no mirotsaka andrano fa tsy mihirina, milatsaka andombo fa tsy mba mivoy, fa ny ety aminay na hory mbola sy horin-karena aza mba manam-pahendrena ihany, koa raha m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hajao-ny-safidim-bahoaka
Hajao ny safidim-bahoaka
Nalison Randrianaivo
Hajao ny safidim-bahoaka Hajao ny safidim-bahoaka Ny marina re mba havoaka Fa aok'izay ny fangalarana Tsarovy fa misy ny farany Hajao ny safidim-bahoaka Fehezo izay teny havoaka Aoka hanjaka eto ny marina Ny vato aza dia angalarina Hajao ny safidim-bahoaka Dieny mbola tsy mitroatra Ireto vahoaka maro be Ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ranomainty
RANOMAINTY
Fredy Jaofera
RANOMAINTY Ny ranomaso no ranomainty mamoaka ny ratra fa tsy an-kaso.... Lafo na sainty, mbola nahazatra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/iza-moa-ianao
Iza moa ianao?
Hatenaina
Fa iza moa ianao iny No sahy mandevilevy ahy ? Mba lazao ny marina Moa avelo sa fanahy ? Fa toa mahasahy mijoro Hampianjera sy handringana Toa vato hanorotoro Handavo sy hamingana Iza marina àry ianao Fa tsy fantatro mazava Iza ? mba lazao Ary afaho ny saron-tava Fa miseho ho vatolampy Manakana ny diako M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-rahamefiarisoa/niza-niza-eto-an-tany-t
N'iza n'iza eto an-tany t
antsa RAHAMEFIARISOA
N'iza n'iza eto an-tany tsy misy ankoatra anao izany Na iza hiseho mahery ianao hatrany aho ry neny na mahy io na matavy ianao ihany ilay vady inao ihany ry malala ianao ihany izaho tsy hiala ianao foana tsy miova ianao ihany no mpandova IANAO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ampirimo
AMPIRIMO
Fredy Jaofera
AMPIRIMO Ampirimo ny Lasa hampiova ny hoavy, hamoha ireo kinasa tsy hisy hampanavy. Ampirimo ny fery tsy ho hita intsony fa mila ho namery sy saika tsy hitony. Ampirimo ny jaly ho tantara mivalona ho maina tsy hamaly 'reo tena mpialona. Ampirimo ny mafy tsy hanana anarana, fa efa ela no nihafy sy nahazo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/raha-mbola-misy
Raha mbola misy
Hatenaina
Raha mbola misy azo hambara Ka azo avalona ho tantara Raha mbola misy azo henoina Sy anarana azo hiantsoana Raha mbola misy azo hombana Raha mbola misy ny hazavana Mba hisandratan'ito foko Sy hampitraka ireo manjoko Raha mbola misy hantenaina Ka ny andro hihamaraina Dia hipoitra ilay masoandro Ary hibaliaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/mangata-dalana
Mangata-dalana
Hatenaina
Nahoana aho no atao hoe marary izany saiko? Raha izany re no izy ,tsy hotaperiko ny aiko Ka ho diso aho ve raha hamarana ny fiainako Fa mangidy loatra re e!mangidy be ny iainako Ho fahotako ve ny faniriana anao ry rangolahy? Dia ho heloko ary ve ny handao ireo tia an'ahy? Fa raha navadiko ny pejiko in'arivo tsy h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/fasam-poana
Fasam-poana
Hatenaina
Andray !voadona indray ny foko Jereo ity izy mitoloko Fa voakitika ilay fery Mandatsa azy ireo mpijery Mitelina ahy ny omaly Mandatsa ny androany Mamingana ahy ny ampitso Rahatrizay toa hazim-pito Nandositra ahy ny fifaliana Nivahiny ny fahoriana Lasa namako ny sento Fasam-poana ny ahy hatreto Mangidy ireo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/eo-am-pelan-tananao
EO AM-PELAN-TANANAO
Fredy Jaofera
EO AM-PELAN-TANANAO Eo am-pelan-tananao ny hoavin'i Gasikara ho fiainam-baovao no tena hisy tsara. Eo am-pelan-tananao ny hanova ny omaly ho foana na handao 'zay mba nampijaly. Eo am-pelan-tananao 'reo tena fiadanana katsahina ao ho ao sy hiaraha-manana. Eo am-pelan-tananao 'reo fanarenana azy ka ity re ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tanjona-itovizana
TANJONA ITOVIZANA
Fredy Jaofera
TANJONA ITOVIZANA Tanjona itovizana ny volavolam-panarenana, mitaky fikirizana sy ny asam-panorenana. Tanjona itovizana ny hamoy ny fahantrana na dia mamizana sy hita ho mahatamana. Tanjona itovizana zay hivoaran'ity vahoaka, hisy fandihizana rehefa mety no mivoaka. Tanjona itovizana ny lalam-pahombiazana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/malala-tsy-foiko-nefa-a
Malala tsy foiko nefa a....,
Sento tokana
Iny afatrao iny ilay afatra tsy lava ilay afatrao fahiny mbola ato antsaiko lalan-dava iny tsikinao iny tsiky malefaka manintona ilay tsikinao fahiny tsara sady maontina iny bikano iny tsotra sady manja fa ilay bikanao fahiny iny koa tsy latsa-danja iny toetranao iny maontina sady tsara fa ilay toetranao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/dadako-tiako
Dadako tiako!
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Tena tsy laitra fa be hafatrafatra, Mananin-jato ny be hanatranatra. Tsy azo sakatsakanana hiteny izany; I dada rehefa hiteny amin'ny zanany tiany! Mitratrevatreva amin'ilaivana azy, Mamazivazy nefa koa manasazy! Be hambom-po manahirana ny hafa, Izany no dada tsy manan-tsahala! Teo foana izy nanara-maso, Manit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rtv/any-ianao-ry-malala-asa-r
Any ianao ry malala asa r
Rtv
Any ianao ry malala asa raha mba matsiaro ahy Fa izao aty aky malaelo anao mafy Te ahitanao sy te hitampify eo anilanao Malala a aza manahy ianao fa ny fitiavako Anao anie ka tsy ataoko toy ketsa ka afindra vao Miroborobo, fa fitia zahatany ka tsy maniry amin’ny tany Tsy tokony aniriny ky malala a Fa matokisa en...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tianay-foana
Tianay foana
Nalison Randrianaivo
Tianay foana Tianay foana ianao ry mpitondra mahay Mahalala ny mahasoa ny tanindrazanay Na dia be mpanaratsy sy be mpankahala Dia tsorinay aminao fa izahay tsy hiala Tianay foana ianao na oviana na oviana Ary ireto izahay hiandry hampitoniana Hoy ianao hoe minoa fotsiny ihany Ary matoky izahay fa ianao tsy main...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/efa-tsy-rariny-loatra
Efa tsy rariny loatra
Nalison Randrianaivo
Efa tsy rariny loatra Efa tsy rariny loatra, efa tafahoatra Ny fanaratsiana sy fanambaniana Ataon'ny sasany, sa izay no asany? Ahazoany karama, sa voafatotry satana? Efa tsy rariny loatra, ny teny avoaka Feno fiantsiana, miaro fampiadiana Feno fankahalana, ataonao madama Efa mihoatra ny fefy, izay hita fa tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/clarry/ny-fitiavana
Ny fitiavana
clarry
F ny fitiavn rhtra tsy oe tsara akory F ny fitiavana aza no mety hanorisory F ny fitiavana ihany koa mety hahafaty Fa ny fitiavana ny lasa no mety tsy hotanty
https://vetso.serasera.org/tononkalo/3r/mpanoratrarandimby
Mpanoratra:RANDIMBY
3R
Iny ianao Iny ianao mandalondalo sy mandehandeha Babo loatra ny foko ka tsy hitako izay aleha Avy eo iny ianao nifanena tamiko ka niteny hoe tiko ianao Tsy vaovao amiko intsony satria efa ny aminao Iny ianao mijery ahy izay miaraka @ ny namako Avy eo nantsoinao aho ka hoy ianao hoe:tiko ianao ho rahavako Nitobok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/indrisy-ry-foko
Indrisy ry foko!
Hatenaina
Indrisy ry foko voatefy tomany Indrisy ry foko efa zatra mijaly Indrisy ry foko torovana hatrany Indrisy ry foko tsy mitsaha-marary Aiza no misy an'ilay fanafody Aiza no misy an'ilay fahasambarana Rahoviana ireo tsiky vao mety ho tafody Rahoviana no ho afaka izato hasasarana Indrisy ry foko be fitarainana Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/tsy-ianao-no-dokoterako
Tsy ianao no dokoterako
Hatenaina
Nataoko ho ianao ilay raozy manitra Malefaka sy mahafinaritra Hanakombona ny feriko Sy hampiverina ny heriko Nataoko ho ianao ilay raozy manitra Natolotr'Andriamanitra Hanafosafo izany aretiko Sy hanamamy ny ngidy izay nateliko Nataoko ho ianao ilay raozy iray mivelatra Hanampy ahy ho hary elatra Sy hanasitra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado_albert/mahagaga
mahagaga
rado_albert
mahagaga fa tsy mitovy ny hery ny sasasany matanjaka, ny hafa malemy mahagaga ny zaza mitomany ny sasany mety voadona,ny hafa aniany mahagaga fa miovaova ny toetrandro andro hafa mety hanorana,mety ho be masoandro mahagaga ny fiainana misy mahafaly,mamy,mahasosy,ny itarainana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/jehovah-
Jehovah ô!
Hatenaina
Jehovah ô!ianao mahita Ity fahoriako tsy hita isa Ianao io mahafantatra Ary tena mahatakatra Ireo latsa holanjaiko Hatramin'ny farafofonaiko Ka ampio re fa mijaly Sitrano fa marary Ampio fa torotoro Ampio re mba hijoro F'ianao ilay Ray mpiahy Mampandositra ahiahy Inoako hitantana ahy Sy handrotsaka fanahy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/karama-vary-masaka
KARAMA VARY MASAKA
Fredy Jaofera
KARAMA VARY MASAKA Karama vary masaka no azony isam-bolana, na feno na misasaka, tsy ampy re no olana. Karama vary masaka no valin-kasasarany, vao iny fa mipasaka dia lany no anarany. Karama vary masaka, volan-tokantranony ; marary fa asakasaka ny asa raha ajanony. Karama vary masaka no ihafiany ombieny, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/minoa-fotsiny-ihany
Minoa fotsiny ihany
Nalison Randrianaivo
Minoa fotsiny ihany Dada a, Tsapanay ary fantatray koa Ny fitiavanao anay, Fa lehibe tokoa Tianao handroso i Madagasikara Ary vonona ianao ka nanolo-tena Hifofo ny ainao ho an'ity firenena Fantatrao mantsy fa mila fanavotana I Madagasikara fa tena mikorontana Mifamono samy malagasy izahay Ary mahantra ambonin'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mandehana-mifidy
Mandehana mifidy
Nalison Randrianaivo
Mandehana mifidy Ry olom-pirenena aoka isika hifidy Zo antsika izany ka hefao ny adidy Manana andraikitra goavana ianao Manan-danja sy mahery ny safidinao Aza manaiky terena sy tambazana Mijoroa ianao fa tia tanindrazana Zo anao mantsy ny hifidy malalaka Anao ny safidy izay vato ho alatsaka Samy manana ny safi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-b/asa-soratra
~ASA SORATRA~
Antsa B.
Asa soratra vetso haingampanahy hirahira vetim-beteso hifanala sorisory isika ampiadio ny rima alaharo ny tsaikona sy ny gadona atao ho heno any ambany rina satry ny mpianakavy mivondrona aza ato antsirambiny mba tsy hisy tomika raha tsy ampy ampanarao ny ambiny na koa hifanampiantsika rahalay,ranabavy as...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/izany-no-dadanay
Izany no Dadanay
Nalison Randrianaivo
Izany no Dadanay I Dada tsy mba manavaka Hendry izy sady mpivavaka Ary vonona sy manolo-tena Hanavotra ity firenena Ny vahoaka aloha no jereny Tanterahany ilay teny nomeny Vitany atsakany sy andavany Izany no tena finiavany Fandrosoana no tena hiriany Ny malagasy rehetra dia tiany Izany ary no tena fitiavany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado_albert/fiainana
Fiainana
rado_albert
Mahagaga ny eto an-tany Fa manahirana ny fiainana Raha dinihana maha-lasa vinany Mamparary,mahatonga fitarainana Matetika no tsy maintsy miady,misavoritaka Ny olona,ny ain'ny biby tsy voaaro Eny tsy toerana iray fa miparitaka Manerana ny nosy maro Noho fahasarotan'ny fiainana Dia maro ireo lasa ratsy Ny hafa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/ry-fanadinoana
Ry fanadinoana!
Hatenaina
Aiza izato ianao re Rafanadinoana Izay tena katsahiko fatratra loatra Fa andrasan-ko faty vao mainka tsaroana Mahatonga ny tena hijaly sy hitroatra Ry Fanadinoana niampita any ho any Nitondra any ho any ny zava-boakasa Ry Fanadinoana tambazana hatrany Tsy mety manafina ny androko lasa Ry Fanadinoana ô!mba aza m...