url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/ny-soratro
NY SORATRO
voatsinampy
NY SORATRO NY NAHATONGA AHY HANORATRA ? DIA NY FAHITANA ANAO TSY MAHATANTY NY FIAINANA FA TOA KIVY LAVA IZAO DIA NORAISIKO NY PENIKO NOSORATAKO TSY NAFENIKO IREO OLANA NITRANGA AHAMAIVANA AZY ANGAMBA? NAVOATRAKO HO TONONKALO HOVINAKIN'NY MPANDALO TSY AHIBOKA AO ANATY FA HO ANAO SY NY MPAMAKY NY NAHATONGA A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/hoanao
hoanao
Rary
angamba ianao androany ry sombinaiko hanontany hoe nahoana isika no tsy manana na koa irony mpanana mba nitady ihany aho ary mbola itady hatraminizao tsy kivy koa fa manantena ny ho avinao no jerena fa tiko ianao ho tafita zay kely angona,to ritra tsy mba angona fananana fa ny hoanao,dia fianarana mahay dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vela-pandrika
VELA-PANDRIKA…
RRAG
VELA-PANDRIKA… Mientana mafy toa hila hitroatra, midoboka mafy efa hila hipoaka, misento mangina tsy misy mpahalala, mitia ny tsy tia toa efa ho adala. Dia misetra tokoa lahy fa hoe manan-tsaina, miseho miziry tsy mba mpitaraina, ka atao haza jono ny fo ‘zay marefo, fo efa leo sy drodro-misefo. Zary fandri-b...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/meloka
meloka
Rary
meloka aho,fa mandehana mendrika ahy ny fonja anio aza arotsaka eto akory ny ranomasonao sao ritra noho ny amiko adinoy aho... dory ihany koa ireo fitafiako izay tavela aleveno sao hampatsiahy ny tantara ratsiko hatrizay... ataovy vakoka ho tantara ilay teny mamiko fahiny aza aseho an iza n iza sao hiana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitia-sombintsombiny
Fitia sombintsombiny
Nalison Randrianaivo
Fitia sombitsombiny Aza tsiny indrindra Satria efa fantatrao Tsy miafina aminao Izao fiainako izao Saingy... Angamba fakam-panahy Fa voasintonao tsy nahy Ilay foko ka babonao Ka nilaza tsotr'izao Hoe " tiako ianao " Kanefa... Hitanao tsara angamba Haiko ianao fa tsy jamba Fa mahita anay tsara Eny rehetra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/rahoviana
Rahoviana
Nalison Randrianaivo
Rahoviana Fotoana vitsy monja No nahalalako anao Eny niarahan-tsika Ny mamy toa tantely Ny hafanana ny fitia Saingy vetively ihany Dia nifarana anefa izany Satria... Ny ranomaso vao maraina No nirotsaka tsy tana Ny alahelo hila tsy ho tanty Saingy atao ahoana moa? Tsisy azoko atao Fa hifandao isika roa S...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitsaram-behivavy
FITSARAM-BEHIVAVY…!
RRAG
FITSARAM-BEHIVAVY…! Jinery mitopy mibanjina anao, manombana maso ny lanjam-pahatsarana, asesiny miakatra avy eny an-tongotrao, izany tokoa ve, ilay tombam-pitsarana? Topazany maso ny kiraro eny an-tongotra, somary jereny ny endri-tavanao, jinereny ny henatra hita misoritra, na koa angamba hoe, mahamendrika anao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/kolikoly
kolikoly
Rary
inona marina ny marina? raha tsy misy koa ny diso saingy indrisy tsy ho tafarina fa ho kolikoly ny ampitso levona tsy hita ka takona tsy hipoitra ny zava-marina toa ritra fa mbola nisy koa ny tsolotra tsy fahatrana anefa no afaka fa ady koa ny hiafarany izay bitika mangataka toa halentika hatrany dia noho i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangetaheta
MANGETAHETA
RRAG
MANGETAHETA Tsy lavina f’ianao, efa manana ny ampy, afa-mampitonitony, ireo sedra izay tsy tanty, tsy mila fisasarana, raha hitady izay ho arapaka, eny e! Raha ny anao, ny vahaolana aza tsy araka. Ny azy anefa toa tsy izany, setrasetra isan’andro, tsy afaka izy ny hitomany, hangataka anjara masoandro! Ny nohanin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/aza
aza!
Rary
aza aseho,eto akory 'lay tsikinao nalefaka nambabo ahy fahiny mandehana ka izory fa ny foko efa ketraka indrisy(...),ankehitriny aza aseho raha sitrakao fa sao ho babo indray aho aza havoaka eto koa ilay tananao nafana namihina ahy.,tamin'ny alintsika roa fa sao ny foko hifoha ka haka izay tsy anjara hanao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsarovy-tsara
Tsarovy tsara
Nalison Randrianaivo
Tsarovy tsara Fa mihevitra ve ianao Fa hitoetra eto foana? Hiliba amin'ny harena? Hidola amin'ny vola? Satria moa anananao Ka hoe tsy ho foana? Ny vatosoa sy volamena Dia hoe tsy ho sola? Tsarovy tsara anefa Fa mandalo ianao ety Ka tsy manaraka anao Any ampasanao akory Sao ho diso fiantefa Raha foana ireo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indrisy-fa-raha
INDRISY FA, RAHA…!
RRAG
INDRISY FA, RAHA…! Raha mba niandry kely, andro iray monja, ka nanana faharetana, ny akoho vao nisidina, dia angamba kosa lahy, tsy ho toy ny voafonja, fa dia nikopak’elatra, sy avy dia nanidina. Saingy indrisy fa, tsy nanam-paharetana, tsy nanana herin-tsaina, hiandry ny zoma! Tsy nandefa ilavitra, ny fieritrer...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanoitra
FANOITRA
Fredy Jaofera
FANOITRA Fanoitry ny ainga hatramin'izay izy iny vao bainga ny asako iray. Fanoitry ny andro mavitrika ery mahalala mitandro vazo hatraty. Fanoitry ny voady voakolokolo natao tsy handady na azo asolo. Fanoitry ny tena tiana tokoa tadiaviko hitsena ka mazotoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/3p
3P………..…!
RRAG
3P………..…! Indrisy ry tiako fa, novahanao ny fatorantsika, nofoananao ‘lay hafanana, ka zary hatsiaka, notinapahanao ny tady, hifandraisan’ny fo, dia rava tokoa manko, ny antsika roa. Nahoana anefa, no nataonao ankolaka? Dia lefona ivoho, no ninianao natoraka, ka ny fihetsikao, no nanamarika izany, rahoviana ane...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-hisy
RAHA MBOLA HISY...
RRAG
RAHA MBOLA HISY... Raha mbola hisy koa, fotoana hitamberina, ka ny lasa indray no, hitsimbadika hiverina, dia ireo tsiaro mamy, no tiako hilomanosana, irony soa natrehana, no tiako mba tsarovana! Raha mbola hisy koa, fotoana hahafaha-mihaona, anaty fifaliana, fa tsy am-po misaona, dia satriko hitamberina, irony ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/mbola-zaza-angamba
Mbola zaza angamba
samiir lien'ju Rafaralah
Mbola kely angamba ialahy Ka tsy nahatsapa akory Fa ny fo anie rehefa tia Dia matetika toa ory Toa tsy hitany akory Izay lalana hombana Na efa tevana mideza aza Dia iezahana iampitana Ny hafatro leretsy Dia mahaiza fetsifetsy Saino izay hombana Fa ndrao ialahy "dana"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsilon-draozy
TSILON-DRAOZY…
RRAG
TSILON-DRAOZY… Firifiry tamintsika, no nahatohitra hadalana? Firifiry koa izany, no sahy nilaza fa tamana? Raha lala-nodiavina, tomefy sedra tsy hay tohaina, dia ho firy koa moa, no mbola hanana hantenaina? Ny raozy ve tsy tsara bika, kanto meva tahak’izany, fa firifiry tamin’ireny, no tsy nalazo teny ihany? Izy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-laviko
TSY LAVIKO…
RRAG
TSY LAVIKO… Zandrivavy a! Tsy laviko aloha fa, raitra dia raitra, ny fihaingom-bahiny, saingy indrisy fa, ny saina sy fo anefa, toa tsy manaiky, anao amin’iny! Aiza kosa ka zipo, efa ho am-poto-pe, mamenatra loatra ny olo-misaina? No indesinao, mba hirehareha, amin’ity andro tsy inona, fa vao maraina. Ny lehil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanaoko
FANAOKO
Fredy Jaofera
FANAOKO Fanaoko ny mivavaka vao tonga ny maraina tsy ho any an-davaka ny adidy izay efaina. Fanaoko ny misaotra ny zava-tsoa nomena fa tsy mpanararaotra na toa olona tia tena. Fanaoko ny mandika ny teny izay voavaky fa satriko hanjopiaka sy mba hiasa malaky. Fanaoko ny mamboly ny tsara tian'ny maro fa en...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/miandry-anao-sisa
Miandry anao sisa
Nalison Randrianaivo
Miandry anao sisa Aiza ianao rahavako Fa kely sisa ny hery Hisokafan'ito vavako Tsy maintsy sy voatery Handao anao tsy satry Tsy mba safidy akory Ny ho naman'ny maty Ka tsy ho anao intsony Aiza ianao ry tiako Faingana malaky ianao Fa alohan'ny hikipiako Ny masoko ahita anao Intsony hatory tsy hifoha Tsy a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/safidy
SAFIDY...!
RRAG
SAFIDY...! Zanako ianao, na tsy naloakan-kiboko, zanaka naterako, ary koa safidiko, sombintsombin'ny aiko, na tsy terako aza. Zanako ianao, hatramin'ny mbola zaza! Safidy, ilay anaranao fiantsoko, zary ainga iray nanosika, sy namafa ny tomaniko, fa toy ny andry hiankinana, ary koa hianteherana. Safidy, tsiky ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/tsy-sahy
tsy sahy
Rary
inona re no ataoko..? fa ny tongotro tsy mety tanako tsy haiko fa tsy maitsy mitsoaka rehefa iny ianao fa tazako tsy hain ny foko nefa hikiry... hiandry ny gadona lalovanao fa na ny vavako moa impiry no te hilaza toy izao.. fa izaho mitsoaka fa akaiky eo ihany mitily anao manaramaso hatrany mody tsy mahita ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-feonao-ry-eritreritro
NY FEONAO RY ERITRERITRO…
RRAG
NY FEONAO RY ERITRERITRO… Any am-parahatoka any, misy feo mihika mafy, misy ako te hivoaka, sy alahelo izay tsy tanty, te hiteny ankatezerana, hibedy ahy noho ‘reo vita, noho ‘reo zavatra nataoko, vokatry ny ditraditra. Ny feonao ry eritreritro, no hany mihazona ahy toy izao, saingy ianao dia niniako, tsy nohenoi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/aiza
aiza
Rary
tonga ilay maraina mazana,toa ventesina dradraina sy renesina sy raketina ao an-tsaina... hoe lasa indray ny haizinao ry alina ireo ola-mahafanina nisy hatrizay fa amiko kosa toa fijaliana hatrany tsy misy fiafarany sa 'zah no kanosa fa hiady sy hisasatra hiady tsy amin sandry mba hoan ny andefimandry sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tomban-dehilahy
TOMBAN-DEHILAHY…!
RRAG
TOMBAN-DEHILAHY…! Dray re ry tany! ‘Ty maso manombana, toa avy aty aoriana no mandanjalanja, izay ve izany, ilay hoe fanovàna, mba ahafahany milaza fa hoe tena manja? Ny halehibeny moa izany sa ny hafisahany, no tiana hotinazana amin’izato jinery? Ny fihontsony koa ve sa mba ny fironany, no tian-tinazanina an-j...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/tia
tia
Rary
itako izy androany moa va,tsy ireny.. anjely tena kanto nitondra ahy hanofy nanonofy 'lay niriako ery hanabakabaka fatratra fijery nanaitra raha miteny fa tsiky faratampony no miseho sesilany amin endriny sariaka mba iza loatra? no olona hofinidiny... tiny tena tiny angamba koa toa azy? bikana ,sady ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/lasa-ny-saiko
Lasa ny saiko
Hatenaina
Hitanao ireny fody ireny? Ireo misidintsidina eny ho eny Varidimiventy hono no vidin'ny roa Dia raha mividy efatra mahazo kadoa Fa ireny hono raha latsaka amin'ny tany Dia hita avy any an-danitra any Hitany ny trace nianjerany Na midadasika be aza ny tany Fa ireny hono tena sarobidy Amin'azy ireny tsy voavidy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/azoko-faritana-ianao-ry-k
azoko faritana ianao ry k
Rary
azoko faritana ianao ry kitana, handrakotra ity nosy zay efa rako potsy hapitondra hazavana ireo dibo-pahatrana hamay sy hanantota ireo mpangatra,mpanota hampihena ny sasany hamerina ny lasany hamoaka izay tsy anazy hampaniry retsy ala zay efa tena hana hanondraka ny saha ho maitso sy hampifaha hampatav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-anarako-hoy-ianao-n
NY ANARAKO HOY IANAO…
RRAG
NY ANARAKO HOY IANAO… Ny anarako hoy ianao, tefi-maikamaika, anara-maro mpanana, ‘zay efa tsy mahataitra. Tambatamba-teny, rafirafi-tsoratra, saingy manan-danja, sy hevitra miankolaka! Ny anarako hoy ianao, tinendry fa tsy anjarako, nefa isan’ny singa, nandrafitra ny tantarako. Karazarazana litera, narafidrafitr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-nisy-mbola-tsy-nis
EFA NISY…
RRAG
EFA NISY… Mbola tsy nisy izaho, mbola tsy ary ianao, mbola tsy nisy isika, no nofy avokoa izao, dia efa nisy faka, efa nisy rantsana, efa nisy taho, nihary fisandratana, namelana fitia, nitsimoka fitiavana, tsy nisy akory isika dia, namony ny fiadanana. Izao tontolo izao, mbola tsy nisy akory, nefa teny ny fiti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/angamba
ANGAMBA
Ny Afy
Angamba tsy ho tsiniko raha hanao veloma, ka hikopa_tanana handao anao etoana, na tsy fidiny aza ,izao angaha no tsara isika koa manaiky ny lahatra sy anjara. angamba tsy hotsiniko raha hody aho, hisitaka handao izao tontolo izao fa efa ampy izay, vitako ny adiko hiara_itoetra amin'i Jesoa Kiadiko. Angamba tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/zavatry-ny-tany
ZAVATRY NY TANY
Ny Afy
Raha ny zavatry ny tany, no atao indray milaza dia mora levona ihany hatramin'ny mafy indrindra aza. raha ny zavatry ny tany , no andeha asian_teny dia fadio ,tsy faka_mamy satria mielina ireny. fa ny zavatry ny tany, dia tsy mitondra fiadanana ka mety hiteraka tomany, hoan'ireo 'zay te hanana. fa raha ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/zatranao
zatranao
Rary
lasa fahazaroko sahady ny mijery anao rehefa iny izaho, eto am-baravarakely toa tsy andriko mihitsy aza, ny handalovanao amin'ito lalan-kely eto an-tokotany fa ilay tsikinao nandravaka, soa toa valim-bavaka ny vonikazo kanto tery an-jaridaina ka nampientana ny foko hany ka, zary ho isan-tsegondra ny mas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/tantaram-piainako
TANTARAM-PIAINAKO
Ny Afy
Inona ary no ambarako, raha holazaiko ny tantarako va mba misy hotantaraina? tsy haiko ry mpamaky hajaina. nefa raha ny amin'izany, dia misy saingy kely ihany satria tsotra ny fiainako tsotra loatra ny fisainako. tantara tena fohy dia fohy, indray mihaino tsy mitohy nefa raha mahaliana anao, ny asa soratro a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/ilay-any-ananonanona-any
Ilay any ananonanona any
Hatenaina
Ilay any ananonanona any Ilay tokako eto an-tany Ilay any ambadika any ho any Ilay ato am-poko hatrany hatrany Iza ary izy raha hainao? Ambarao raha fantatrao? Tena tia manompo Izy anie ka dia mazoto Falifaly lalandava Miramiran-tava Tia mijery lafy tsara Tena tia mandray anjara Izy anie ka mahafoy tena An...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/raha-izaho-no-filoha-
RAHA IZAHO NO HO FILOHA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Madagasikara Nosy miavaka, meva sy tsara. Kilasiana koa, ho Firenena mahantra indrindra. Ny mponiny mivavaka, hatreny amin’ny alitara. Nosy hanan-karena, raha toa manova famindra. Ny fandrosoany hiankina amin’izay ho Filoha, Izaho na ianao na izy samy mety daholo; Raha mahay manentana ny Malagasy hifoha. Ho mari...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/tiako-ianao-nefa-
tiako ianao nefa ••••••••
Sento tokana
TIAKO IANAO NEFA........... Avelanao ipitrapitra ve? Ity foko tena tia Avelanao angatsika ve? ity fitiavako miandrandran-dry. Eny mety tsy ho fantatrao mihitsy angamba satria ianao efa azy. Tsy mahatodika aho, tsy mahajery rehefa tantanan'iny olona iny ianao. Ka ity foko no zary mipitrapitra kely De aleoko ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/iny-taratasy-iny-efa-noma
iny taratasy iny efa noma
Rary
iny taratasy iny efa nomaniko hatry ny ela saingy ankehitriny efa rovitra sy lena iny mantsy no nilazako namborahako ny tao am po izay dingana niampitako amin fitiavan olon-droa tetezana havitako haneho ny tena marina hamoy ny fahazazako hanadino sy hanarina eny,noho ianao tovovavy iray manaitra natokoka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/hianao-no-mahalala
Hianao no mahalala,
Antsa tononkalo.R
Hianao no mahalala Fa misy fo mitepo ao anaty fo mitia, Ary misy fo mitia ao anatiko ao mitepo. F'ianao no malala, angamba koa minia... Minia tsy mahalala ny ao anatiko ao satria? Izay tia anie... Hianao no mahalala, Fa misy koa fitia, amin'ny topy maso adalan' ny fo nifampijery F'ianao no malala, na aza hoe m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fonja-pitia..-kanto-dia
FONJAM-PITIA..!
RRAG
FONJAM-PITIA..! Kanto dia kanto ny fonjam-pitia, raha samy tia izy sy ianao, tsy misy ao ny fihatsarambelatsihy, ilavitra koa ny fo mitalaho! Ny rojo miendrika fanantenana, fonjam-piadanana io sa tsy izany? Ny trano miefitra dia hahatamana, fitia mifamaly tsy misy ohatr’izany! Ny mpiambina tsotra ka mitondra ny ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-andronny-fahazazana
NY ANDRON'NY FAHAZAZANA
Fredy Jaofera
NY ANDRON'NY FAHAZAZANA Ny andron'ny fahazazana, andron'ny tsy fahalalana fa nanoritra teny sahady ny fiainako ho be adiady. Ny andron'ny fahazazana, andron'izay fahabangana tsy tsaroana ho nanorana fa nanehoana fahatsorana. Ny andron'ny fahazazana, andron'ny tsy azo fafana fa nipoiran'ireo disadisa nandrav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/izay-tia-adala
Izay tia adala
Nalison Randrianaivo
Izay tia adala Izay tia tokoa adala e Tsy mahay misalasala Mandresy izato tahotra Ka sahy tsy mivahotra Izay tia tokoa adala e Fa te hanana malala Ka na saotra ary izany Dia ny ho tiaviny ihany Izay tia tokoa adala e Tsy mahay mankahala Fa avy dia tokam-po Heee. Tsy manam-paharoa Izay tia tokoa adala e Ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/jambanny-fitia
Jamban'ny fitia
Nalison Randrianaivo
Jamban'ny fitia Iny ianao raha tazako Niserana sy nisoko Namikiviky ery Saingy nitselatra ny foko Ka jamban'ny fitia Dia nitady anao foana Hitantana ity tanana Dia naniry mba hiaona Hifanena eny an-dalana Angamba fa jambena Ity mason'ity foko Tsy nahita izay nojerena Raha iny ianao nisoko Nanjary tsy nisa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lavo-saingy-tsy-mba-maty
LAVO SAINGY TSY MBA MATY...
RRAG
LAVO SAINGY TSY MBA MATY... Isan'ny hira tsy maty am-po,'lay teo Ankadifotsy, kanto ireny ka tsy mba ho lo, zary firotsy, fiventin'ny fo iny sendra alahelo,mitamberina anaty, na koa sendra zavona mihelohelo, tady hanasy! Dia lavo tokoa mantsy ilay be nofinofy, lavon’ny fasana, dia i "Om-Gui" mpitondra ilay rotsy,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-lay
IANAO ‘LAY…!
RRAG
IANAO ‘LAY…! Misy ritsoka tsy tafany, tiany avoaka ho ren’ny hafa, misy jerin’iny lasany, toa tsy tiany ho voafafa, mitamberimberina eny, mandrotsirotsy ny aty fony, zary tsy mahaloaka teny, amin’ny saina tsy mba tony. Fa dia mitsiaro ilay nofy, filalovanao matetika, mimanimanina ireo tosy, tsikitsiky amam-pihets...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/horohoronity-foko
HOROHORON'ITY FOKO...!
RRAG
Fotoanany ve izao? Asa ah? Anao no mandinika! HOROHORON'ITY FOKO...! Tsy kisendrasendra ve, no nahitako ity anjely? Bikàna ery anaty tsiky, mahafinaritra ny jery! Manintona ahy sy ny atim-poko, babonao sahady aho, jereo 'ty izy mitoloko, ka babo hatramin'ny fanahy! Mihorohoro izy izao, te hamihina anao, renao ve...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nahoana-kosa-moa
NAHOANA KOSA MOA…?
RRAG
NAHOANA KOSA MOA…? Raha setrasetran’olona, tsy tia fa mankahala, no fingana manosika, ny aina an-drangolahy, dia zaka ihany angamba, tsy hasiana salasala, ka havela hitony, ny fo tsy hiahiahy! Raha tosika niniana, nasiana herin-tsandry, no nitondra an-davaka, lali-maizin-kitroka, dia mbola misy ihany, hery iray ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/paingotra
PAINGOTRA…!
RRAG
PAINGOTRA…! Eh! Any ho any izao, dia misy fo maràtra, mba mieza-mampitony, ny feriny ao anaty, sendra voankason’ny, sedra efa mahazatra, kanefa tsy milefitra, amin’ny raha tsy tanty! Azo koa heverina fa, any ho any misy sento, tsy mety mba mangina, anaty fitoniana, indrisy vokatr’alahelo, natamberim-betso, satr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ankosoka
ANKOSOTRA…!
RRAG
ANKOSOTRA…! Nitia ianao dia hoe, tsy maintsy hotiavina? Ka ‘zay teninao dia, tsy ilaivana fandavana. Nitia ianao tokoa, ka dia niara-droa, saingy kely moa, moa ve ka voka-po? Ankosotra ny jery, ny hita tsy mba marina, ny fo mitepo ihany, no tsy afaka amboarina, saingy mety koa mamitaka, ny fahatsapana azy, ka n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-samy-hifidy-ihany
RAHA SAMY HIFIDY IHANY...!
RRAG
RAHA SAMY HIFIDY IHANY...! Raha samy hifidy ihany, tian’ny tsy tiana, sa hitia ny tsy tia, dia aleo tsy misy akory? Fa sarotra ny hamatotra, fitia iray nirina, k'aleo ny fo hangina, aleo izy hatory! Tsy misy mahatsara, ny mitia tsy tia, na miaraka amin'ny tsy tiana, raha olon-kendry ianao! Fa izy roa ireo, dia e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misaotra-anao
MISAOTRA ANAO...
RRAG
Ity aingan-tononkalo ity dia nosoratana manokana ho an’Iaro Mickael (Teraka ny 20 Mey 2018 teo “Andron’ny pentekôty”). “Fa teny ho eny koa kay, nisy fahagagana…!” MISAOTRA ANAO... Hay ve ka nisy e! Nisy fahagagana, tsy takatry ny saina? Natopitopinao mba, ho vintana sy anjara, iainana eto an-tany, ry lanitra ambon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sorona
SORONA
Fredy Jaofera
SORONA Nanaovana sorona vao nisy izay azo, na toa nandrorona sy niharan'ny tazo. Nanaovana sorona vao tody ny tanjona fa tsy nanamorona an'izay nihanjona. Nanaovana sorona vao niova ny taona fa tsy lasam-borona sy mbola nisaona. Nanaovana sorona vao 'ty tahaka izao fa tsy mpamorona ny lainga ho anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fahatsiarovana-ny-fitsing
TSIARO...
RRAG
Fahatsiarovana ny fitsingerenan-taona nanoratana ilay tononkalo "LAVO SAINGY TSY MBA MATY...". Izay tolotra manokana ho tsiahy an'i........ (Erikerika manify....... Ankadifotsy) Indrisy ry tany be siasia! Dia nalavonao e! Ilay aingam-pitia, fototry ny hira mitamberina an-tsaina, raha sendra tomany, na sendra tarain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/segaondra-iray-monja
SEGAONDRA IRAY MONJA…!
RRAG
SEGAONDRA IRAY MONJA…! Maso mba nitopy, nibanjina tsy nahy, ny sori-tavanao, no resin’ny jinery, babon’ny hakanto, teny an’endrikao, segaondra iray monja, dia toa efa lavo, potika aminao. Tinaratra ‘lay tsiky, manoritra hafaliana, tsy hita hofaritana, ‘njay! Izato endrik’olon-tiana, toa mampangitakitaka, mampitro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ambany-rangolahy
ANY AMBANY RANGOLAHY…!
RRAG
ANY AMBANY RANGOLAHY…! Misy naman-tsy mahafoy, misy havan-tena tiana, kikisam-bovo-tany mena, any ambany rangolahy, misy vatan-tsisy aina, ilay lavom-binavina, ilay natolefiky ny ady, ‘zay nilaozan’ny fanahy. Any ambany rangolahy, misy nofo mihintsankintsana, misy vatana tsy afaka, hitroatra setrasetran-tany, il...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/alahelo-anao
Alahelo anao
Nalison Randrianaivo
Alahelo anao Lasa tsy himpody intsony Ilay malalako tena tiako Nalain'ny Ray ao ambony Ka tsy mahatsapa ny fijaliako Tsy mety mionona ny fo Tsy mety mino ny saina Saingy atao ahoana moa Lasa izy ilay nantenaina Maratra mafy ny foko Toa tsy ho tantiko izany Zary sento sy toloko Ranomaso sy tomany Izay sisa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izany-hono-e
IZANY HONO E!
RRAG
IZANY HONO E! Mba mahagaga e! Ny maso mijery, manaraka ho azy, ny vava miteny, raha sendra mahatazana, itony tanora, mora resim-pitiavana, mora babon'ny vola! Jereo moa ity e! Tantara iray, sendra nandalo aho, tamin'izay, teny Ankatso teny, no niseho ny tantara, asa izaho no tsy maharaka, sa izaho mihitsy no ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fototra-faharoa
FOTOTRA FAHAROA…!
RRAG
FOTOTRA FAHAROA…! Matetika tsy hita, hinian-tsy tazanina, irony zava-bita, nahatonga olom-banona, nahatonga olon-kendry, toky sy rehareha, dia mbola ny sori-tendry, no lazaina fa lehibe! Kanefa anie tsy iza, fa i Dada ilay niezaka? Nandrava ny mangina, ary tsy nifezaka, no fototra faharoa, nihary sombin’ny aina,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fe-tsy-boky
FE TSY BOKY…!
RRAG
FE TSY BOKY…! Nahoana no avelatra, tarafin’ny mpandalo, 'ty fe anao ry kala, mba hojinereny? Nahoana ny tsio-drivotra, ilay nampimalo, no tsy notsaroanao, foiny aho niteny? F'indrisy ankehitriny, zipo fohy toa tsy afaka, tsy manam-pahafahana, manarona ny atiny, nondesinao hisintona, itony biby an-davaka, izay e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/doria
DORIA…!
RRAG
Hoy ny ohabolan-drazantsika hoe: “Anao aho ka mora, fa raha an’olona aho dia sarotra”. DORIA…! Aiza ho aiza moa izany, ry tiako 'reo teny, naloakan'ny vavan'ny fo 'zay tena tia? Tsaroako hatrany, 'rony masonao nijery, toa avy hatrany dia nizara, namafy ny fitia! Mangidy tokoa mantsy, 'zany saraka aminao, mitroat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indro
INDRO…!
RRAG
INDRO…! Indro raozy iray niria, nihevi-tena tsy halazo, no nalavon’ny fivoarana. Tovovavy iray nania, nikiry hananika ny avo, nianjera tan-tsampanan-dalana. Ilay nikohizana fahiny, noho ny ditraditra efa vitany, teny anivom-piarahamonina, indrisy anefa ankehitriny, ny ranomaso indray no ritrany, milaza tena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fangaha-alika-e
F’ANGAHA ALIKA E?
RRAG
F’ANGAHA ALIKA E? Asa re ry tiako raha, toa tsy tsaroanao, irony latsalatsa, natorakao ny foko? Fony ianao niketrika, nikasa ny nandao, ka tsy niheno akory, ahy ‘lay nitoloko. Ompaompa izany, esoeson-teny, kapoka marary, nandràtram-panahy, ny masonao aza, toa tsy nahasahy nijery, asa, mbola nanana ahiahy? Anke...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsininao-sa-tsiniko
TSININAO SA TSINIKO…?
RRAG
TSININAO SA TSINIKO…? Vohitra tsy ho ahy, raha ny fitiavanao, kanefa dia nihanihako, ny rehetra aminao, tiako tsotra izao, tontolom-pifaliako. Midoboka tsy miato, ny atinao ry foko, ka mampitroatra ahy, ny fitiavako anao, no hany fitoniako, ilavitra ahiahy. Tsininao sa tsiniko, ity mitia mangina? Tsy sahy man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toky
TOKY…
RRAG
TOKY… Firifiry moa izao, ny toky fitaka niloaka, tamin’ireto vavanao, teny imason’ny vahoaka? Ka maika ery mampanantena, nofinofy tsy ho vita, marina raha tsy hitroatra, hifoha hatramin’ny razantsika. Firifiry ihany koa, ireo sahirana tafita, noho ny ezaka natao, sy ny asa hoe mba vita? Ka ny hasasaranao, no tak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tara-bolana-maizim-bolana
TARA-BOLANA MAIZIM-BOLANA…!
RRAG
TARA-BOLANA MAIZIM-BOLANA…! Eny ho eny angamba izao, misy nofy tsy niverina, misy tsiky tsy hita intsony, zary noraofin’ny nenina, ka niova ranomaso, sy alahelo tsy hay fefena, eny ho eny no mitoetra, ilay fonjam-paharesena. Misy antso tsy tafita, miriorio eny ho eny, saingy ilavitra tsy tazana, ka tsy takatry ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/santatra
SANTATRA...!
RRAG
SANTATRA…! Nisy fiandohana tsy takatry ny saina, nahariana ny tontolo, ny zavatra maniry sy ny manan’aina, hita teo daholo, misy misitery sarotra takarina, mitoetra anaty fo, fihetsika nitsiry fa tsy namboarimboarina, fony vao niandoha. Moa tsy voa nafafy, no zary lasa vary, famelombelon’aina? Toa asa loatra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nisy-tsiky
NISY TSIKY…
RRAG
NISY TSIKY… Nisy tsikitsikinao, tsy nomenao olon-kafa, ankoatra ahy ‘lay notiavina, sy hotiavinao irery, nisy ranomasonao, mbola rakotry ny lasa, nahatonga anao indraindray, tsy niloaka hiteny. Fa teny ho eny foana ireny, nanalokaloka ny tava, teny ho eny foana ireny, toy ny efa silakao, ka na ny tara-nentiko az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ranomasom-panahy
RANOMASOM-PANAHY...!
RRAG
RANOMASOM-PANAHY...! Tomefy alahelo ny fo mbola tia, hontsa dia hontsa ka resin-tomany, ny handao ny tiana toa hoe sanatria, fa iny ihany no tokana an-tany! Misento mangina ny fo 'zay maràtra, drodroky ny ady tolona isan'andro, ihafiana hono fa fiaina-mahazatra, dia hilefitra foana ve na tsy hahita masoandro? ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafa-ihany
HAFA IHANY…
RRAG
Ny ankamaroan'ireo mpianatra nampianariko sy ireo ankizy taizako tanaty fikambanana dia mahatsiaro hatrany ilay fomba fiteniko hoe: "Tetezan-kazo boboka ny fiainana ka na ianao rendrika na ianao tafita". Somary misy hifandraisan'izany ity tononkalo ity. Anjaranao no mamakafaka ny heviny. HAFA IHANY… Mbola lavitra dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/latsa-bato
LATSA-BATO…!
RRAG
LATSA-BATO…! Raha mbola afaka hisafidy, na koa avela mba hifidy, amin’ny tiana sy ny tia, anoloan’ny fitia, dia aleo ‘zay tsara orina, mafy fototra fiforona, no alaina ho anjara, hanoratana tantara. Raha mbola manana fahafahana, hikaroham-piadanana, eny anivon’ny onjam-piainana, ‘zay feno ràtram-panaintaina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-aiza-e-mba-mahagaga-a
HO AIZA E?
RRAG
HO AIZA E? Mba mahagaga ahy! ‘Ty fiainantsika gasy, fa n’aiza n’aiza aleha? Dia misy ny mpisompatra! Misy foana mampanahy, mampangasihasy, k’izay no nahatonga, ahy mba nanoratra! Manora-tora-po, hanairana ny gasy, hanairana azy hifoha, amin’ny torimaso, aiza moa kah! Mangala-taolam-paty, manolana ny zanany, tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faly-izany-ianao-o
FALY IZANY IANAO O...!
RRAG
FALY IZANY IANAO O...! Nazeranao ry vintana, ‘ty foko mbola tia, nifotetaka aho, nihosim-pota-maimbo, ny hilavo lefona, kosa sanatria, f’izaho koa anie, mbola manan-kambo! Noràtrainao, ny foko ilay mahantra, mahantra fitiavana, tia fa toa tsy tiana, saingy ianao fatorako, no tsy mba niantra, dia mendrika ahy ve...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mba-te-ho-filoha
MBA TE HO FILOHA…
RRAG
MBA TE HO FILOHA… Vitan’ny hafa ve tsy ho vitan’ny tena? Izany ny resaka malaza eny an-tsena, fa mba te ho filoha hono i Rakavinila, ilay mpikarama an-jaoridira. Toa mba sanganehana ny anao lahy, nahitan’ireto vavy aman-dahy, efa ho amam-polony nanolo-tena, mba hofidiana, filoham-pirenena! Dia nandeha ny tafan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-resaka-fitia
RAHA RESAKA FITIA...!
RRAG
RAHA RESAKA FITIA...! Raha resaka fitia, dia fo no resaka eto, ao ny hafaliana, ary koa ny sento, misy ranomaso, milatsaka indraindray, fa ny tena fitiavana dia, 'lay mandrakizay! Raha resaka fitia, misy sary maro, ao no misingana, ao ny mifangaro, fa miavaka amin'ireny, ny fitiavan'olon-droa, tsy atao mahakivy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rafim-panahy
RAFIM-PANAHY…!
RRAG
RAFIM-PANAHY…! Asa malala raha sahiko lazaina, fa niangarako izy raha nihoatra anao? Ianao manko tiana dia izy lalaina, izy anefa tsy mba mpitalaho. Izy ary no hika manosika ahy, hitroatra avy hatrany raha sendran’ny ràtra, famatotra ihany fa tsy sila-panahy, ilay miara-mizaka ny ady mahazatra. Malala tsy laviko n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-amoron-tsiraka
TENY AMORON-TSIRAKA…
RRAG
TENY AMORON-TSIRAKA… Teny amoron-tsiraka no nofinidy hialana sasatra, teny ho eny mantsy no toerana mba nihataka, somary nangina tsy nifanjevona, teny no nisantatra ny fiantomboham-potoana. Irery aloha ny tena ka nanorinori-tsary, nieza-nanadino ny ferin’ny omaly, nanao sarim-po mihataka ankiroa, mariky ny lasa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitia-olo-manantompo
MITIA OLO-MANAN-TOMPO...!
RRAG
MITIA OLO-MANAN-TOMPO...! Misamboaravoara eny anivon'ny eritreritro, irony tsikinao nambabo, ny foko sendra tia, manalokaloka ahy, eny hatrany anatin'ny efitro, ilay isika indray andro, sendra mba tafara-dia. Dia nitia anao mangina, nitepo ho anao mangina, ny aty foko manontolo, ka voafatotra fitia, toa satriko,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iavahanny-fitia
IAVAHAN'NY FITIA…
RRAG
IAVAHAN'NY FITIA… Moa kay 'ty fitia ka, anana navoly, mora afindrafindra, rehefa leo ny fo? Mifindra toerana eny, sy hafa tanimboly, fa misy ny ankehitriny, dia nisy ny taloha. Moa kay 'ty fitia ka, mety lany tsiro, toy ny siligaoma, 'zay mety lefy maminy? Ny ao am-po tokoa 'zany, mety maty jiro, raha sendra la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-nomeko-anao
EFA NOMEKO ANAO…!
RRAG
EFA NOMEKO ANAO…! Izay teny an-tanako, ny hany mba fananako, efa nomeko anao, nomeko anao daholo, izay avy any am-poko, hatramin’ny kely hafoiko, hatolotro ho anao, ho anao manontolo. Efa nomeko anao, eny na tsy ahy, efa nomeko anao, ny atin’ny fanahy, saingy mbola lefona, mandràtra ny aty foko, no natorakao, h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/arahaba-e
ARAHABA E!
RRAG
Arahabaina Santa a! Arahabaina tratry ‘zao fahatsiarovana ny fitsingerenan-taona nahaterahana izao! Ny Tompo anie hanome fahasalamana sy tanjaka e! ARAHABA E! Arahaba e! No loakam-po mahatazana, ny tsiky an-tsori-tava, arahaba no, santatry ny fihaonana, ka indro aloa-bava, saingy tsy izay no tiana hotodiana, f’izat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleo-moa-aho-hiteny-e
ALEO MOA AHO HITENY E!
RRAG
ALEO MOA AHO HITENY E! Tsy tafasokatra ny vavako, ny lelanao no lava, mangina re rahavako, fa toa efa ho lava, aleo aho hiteny, haneho izay am-poko, hilaza ny fijery, hiteny izay mba zoko. Hanohana ny hevitro, hanosaka ny toloko, aleo aho hiteny, hamborak'izay an-dohako. Tiako ianao tsy laviko, ekeko fantatrao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/gasy-sadasada
GASY SADASADA…!
RRAG
GASY SADASADA…! Moa ianao avy any am-bohoka, nampianarina niteny, na dia nibadabada ihany, tamin’izato tenin-dreny? Moa ianao nandalo akory, ny fianarana abidy, ka sahy hiteny Malagasy, ka tsy mikaviavia? Malagasy ianao ekeko, Malagasy Ray sy Reny, malagasy tsy mba fomba, na Malagasy koa fiteny, fa Malagasy volo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-ho-any-ianao
RAHA HO ANY IANAO…
RRAG
RAHA HO ANY IANAO… Raha ho any ianao dia indro, hafa-dranomainty, misy diam-peniko, manafatrafatra azy, ento hovakiny, ahatsapany ireo tsy tanty, nahatonga elanelana, ka dia nanapa-tady. Aza asiana akory, teny hoe famenony, fa avy dia atolory, ny taratasy alefako, ahatsapany hatrany, fa mbola tsisy solony, fa i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-fo-e
'TY FO E...!
RRAG
‘TY FO E…! Vonin-draozy tsara felana, manaitaitra ny aty fo, tena aingam-pandeferana, fa tsy mba toy ilay taloha. Mitsio-drivotra malefaka, manafosafo ny fanahy, fitia toa tsara-petrapetraka, halavirin’ny ahiahy. ‘Ty fo e! Mitsiriritra fotsiny eo, maniry hitia olon-tsy fantatra, tsy manahy izay hiseho, sy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hanao-izahay
HANAO IZAHAY...
RRAG
HANAO IZAHAY... Hanao izahay anio; voady an'alitara, hiaraka hanoritra, ny ivon'ny tantara, hiaraka handrafitra, tontolo iray vaovao, hiaraka hizaka, 'zay rehetra mitatao. Hanao izahay anio, tokim-pifanekena, hanoritra fitia, feno fandresena, hametraka sonia, amin'ny bokim-pitiavana, anio izahay no, hanoritra n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vorombe-tsy-fihinana
VOROMBE TSY FIHINANA…
RRAG
VOROMBE TSY FIHINANA… Kanto tena kanto, raha endrika ivelany, meva koa ny tsiky, toa zary fanaperana, ny sori-tava koa moa, mamoaka izato bika, saingy toa ho nofy, raha ny fitiavantsika. Anjely ianao tsy lavina, fa diso lava elatra, izay mahita anao, ny fony, avy dia mitselatra, toa tsy mahatana intsony, ny fien...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tadidy-daholo
TADIDY DAHOLO
Fredy Jaofera
TADIDY DAHOLO Tadidy daholo ny fahazazana tsy bobongolo, na efa nialana. Tadidy daholo ny vava narary nasesy im-polo sy tsy nanjary. Tadidy daholo 'zay nozakaina na iny tontolo be adin-tsaina. Tadidy daholo ny lasa rehetra nahafotsy volo tsy nisy fepetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voazana-pandrosoana
VOAZANA-PANDROSOANA...
RRAG
VOAZANA-PANDROSOANA... “Itony izao finday, 'lay tsara sady raitra, ny kalitao hananany, sy ny lokony manaitra, mifaneva amin'ireto, akanjonao vaovao, kiraro sisa izany, no mbola tsy azonao. Tazano anie ry tiako, itony solosaina, tsara e! Toy ny zava-manan'aina, asianao poaketra, afaka mifameno, malala a! Raha t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandefona-ivoho
MANDEFONA IVOHO…
RRAG
MANDEFONA IVOHO… Ay moa ka namana ihany ‘ty hoe, nangalatra naka ny vadin’ise? Nama-mahatoky nandefona ivoho, nanindrona mafy ny atin’ny fo! Sakaiza manody tsy menatra akory, toa tsara fanahy mampieson-tory. Ay moa ka zaza niara-notazaina, ity nandrombaka ilay silak’aina? Tsy mataho-tody kanefa mba hoe, naman...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tontolom-pinamananana
TONTOLOM-PINAMANANANA...
RRAG
TONTOLOM-PINAMANANA... Tontolom-pinamanana tsy lefy ny elanelana, kianja iorenan'ny fakam-pandeferana, ifamatoran-tsaina sy fo miray fijery, tanjona samihafa fa saingy iray kinendry. Tontolom-pinamanana minday ainga vao, zaridaina miavaka fiaraha-milalao, misy fo resahina fa saingy jery madio, tontolom-pinamana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/eny-sa-tsia
Eny sa tsia?
Nalison Randrianaivo
Eny sa tsia? Efa tsy andriko akia Na ho eny na ho tsia? Tsy maninona fa lazao Izay ho valin-teninao Izaho anefa tsy manery Tsy sanatria ianao voatery Fa anao re no misafidy Izaho koa tsy handidy Fa fotsiny iangaviko Dia ianao anie tena tiako Ataoko fa tsapanao izany Aza avela aho hitomany Fa ny masoko mipi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-ianao-matoa
Tiako ianao matoa
Nalison Randrianaivo
Tiako ianao matoa Tiako ianao matoa nofidiako Hiara-dia aminao no tena faniriako Satria ianao efa vitako tsianjery Ny hany mba tiako dia ianao ho ahy irery Tiako ianao matoa antsoiko ho malalako Fa ny tanjoko izao dia ianao no anjarako Ka ny tiako aza dia tsy misy fetra Ny androko rehetra, mila anao hitoetra T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sedram-pitia
Sedram-pitia
Nalison Randrianaivo
Sedram-pitia Tao anaty ady sarotra Nanempotra ny maso Nampirotraka tomany Nampiseho alahelo Natototry ny an-kaso Ireo tsiambaran-telo Tao anaty fijaliana No nitsiry ny vintana Nanarina ny lavo Nifanosina ny tany No nifaly indray fa ravo Nisinda ny tomany Tao anaty fahasairanana No niezaka sy nikiry Tsy k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vero
VERO...!
RRAG
VERO…! F’angaha moa tsy nisetra daholo ‘nareo, izay te hisetra hamolaka azy? Namingan-tsy nihaino izay toreo, fa toa tonga dia kapoka tsy nisy sangy. Fa moa izao izy tsy mbola mijoro, mbola afa-miria sy afa-miseho? Aiza izy izao izay hoe efa toro, ka tody amin’ny tanjonareo ianareo? F’angaha moa tsy efa nieza-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-tena-fitiavana-12158
Ny tena fitiavana
Nalison Randrianaivo
Ny tena fitiavana Dia ny mahafoy ny ainy Ho an'ilay tiany sy lalainy Ka ho fitia lamban'akoho Faty no hisarahan'olon-droa Dia tsy misy fetra Sahy manolotra ny androny rehetra Ho an'ilay tiany sy tsy foiny Ka afom-pitiavana tsy levon'ny ony Dia ny mifanaja Tsy aniany tsy kilalaon-jaza Vonona hatrany ny hiara-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fatorana
FATORANA...!
RRAG
FATORANA...! Aty an’alitara no maminavina dingana, dingana efa vita, sarotra fafana, fo roa te hitambatra, manahy ny hisingana, mifamatotra fitiavana, ka sarotra ravana. Toy izao ‘reo toky, tokin’ny fitiavana, ianao ‘lay tiana, no raozy ao am-pony, kanto tsara vony, tanora maitso mavana, ka ny eo akaikinao, ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/namana
NAMANA...
RRAG
NAMANA... Sarotsarotra ny hamaritra, ny rehetra tiany ambara, teny tsotra anefa no ivony, dia 'lay famaritra tantara, dinga-niarahana nandalo, na nifanoseham-po, ny fijery tsy mitovy, fa ny kinendry dia ny hahasoa. Namana! Teny tokana mamaritra, endri-pitia hafa loko, fanehoana hafaliana, fizarana ireo toloko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anao-lay-mpankafy
HO ANAO 'LAY MPANKAFY...
RRAG
HO ANAO 'LAY MPANKAFY... Raha mbola misy ainga, manosika ny peniko, hanakatra tontolo, tontolon'ny fanahy, dia hiezaka aho ny hamboraka, ary tsy ho afenimpeniko, hanosehako hiroso, 'reo manana ahiahy. Vesaran'alahelo, ka kivy noho ny fiainana, vontosan'ny tomany, toa manan-tsaina hihemotra, resin'ny ankaso, tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-sedra-pitianny-fo
NY SEDRAM-PITIAN’NY FO…
RRAG
NY SEDRAM-PITIAN’NY FO… Indrisy ry fo, mizaka tsy satry, mitelona irery, ny aleoko maty, mizoga ny tsy efa, tsy zakan’ny saina, saingy tsy afaka, ny mba hitaraina! Nitia tokoa fa, sendra tsy tiana, naniry kanefa, toa tsy mba nirina, haninona moa, rehefa izay no safidy? Ny fitiavana koa ‘ngaha, tsy efa lafovidy!...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-zanako-iny-
INY ZANAKO INY… !
RRAG
INY ZANAKO INY… ! Mbola tiako mihoatra ny aiko sy ny tenako, mbola tiako lavitra mihoatra ny fonenanako, mbola handrandraiko noho ny fahendrena, toa mbola ambony lavitra noho ny fandresena. Iny zanako iny no taratry ny maraiko, iny no mba hany fanafodin’ny aiko, mampitraka ahy sy manosika ahy hitroatra, iny zan...