url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/ny-soratro
NY SORATRO
voatsinampy
NY SORATRO NY NAHATONGA AHY HANORATRA ? DIA NY FAHITANA ANAO TSY MAHATANTY NY FIAINANA FA TOA KIVY LAVA IZAO DIA NORAISIKO NY PENIKO NOSORATAKO TSY NAFENIKO IREO OLANA NITRANGA AHAMAIVANA AZY ANGAMBA? NAVOATRAKO HO TONONKALO HOVINAKIN'NY MPANDALO TSY AHIBOKA AO ANATY FA HO ANAO SY NY MPAMAKY NY NAHATONGA AHY HANORATRA ...NY FITIAVAKO AZY INY NY FANDALOVANY NISERANA IZAY HITAKO FA FANAPERANA DIA NORAISIKO NY PENIKO NOSORATAKO TSY NAFENIKO NOTONONIKO AM-BAVA FA TSY NISY TENY NAHALAZA NY SORATRA NO HANY HAVAKO NANAMBARA NY FITIAVAKO DIA VOAVOKAKO NY HAFATRA TAMIN'NY TENY TONGA LAFATRA NY NAHATONGA AHY HANORATRA ...AOKA ANGAMBA HO VANTANIKO FA NOHO IANAO DIA IANAO RY TANIKO IZAY NIHIAKA-PANGEJANA KA NANDRODAM-PAHEFANA DIA NORAISIKO NY PENIKO NOSARATAKO TSY NAFENIKO NY NAHATONGA IREO HO LASANA TANY AM-BADIKIN'NY FASANA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/hoanao
hoanao
Rary
angamba ianao androany ry sombinaiko hanontany hoe nahoana isika no tsy manana na koa irony mpanana mba nitady ihany aho ary mbola itady hatraminizao tsy kivy koa fa manantena ny ho avinao no jerena fa tiko ianao ho tafita zay kely angona,to ritra tsy mba angona fananana fa ny hoanao,dia fianarana mahay dia zaho no sambatra reharehako,tena fatratra ataoko fatatry ny olona fa izao no vokatry ny tolona ianao mantsy no fiainako hery ho ahy,itarainako rahatrizay ka trotraka aho dia ianao,eny ianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vela-pandrika
VELA-PANDRIKA…
RRAG
VELA-PANDRIKA… Mientana mafy toa hila hitroatra, midoboka mafy efa hila hipoaka, misento mangina tsy misy mpahalala, mitia ny tsy tia toa efa ho adala. Dia misetra tokoa lahy fa hoe manan-tsaina, miseho miziry tsy mba mpitaraina, ka atao haza jono ny fo ‘zay marefo, fo efa leo sy drodro-misefo. Zary fandri-boalavo ny tena fitia, terena tsy satry ny hifankatia, natao vela-pandrika hihazana ny tiany, dia tinerena hitovy ny hoe faniriany! Ny fo indray izany no tsy maintsy hizaka, ny fo no tsy maintsy hilanja izay ràtra, ny fo no voatery hitia noho ny saina, ary mbola ny fo no tsy maintsy hizaka taraina! Vela-pandrika navoly no hamotehana vina, ny saina anie no jamba fa ny fo tsy mila e! Dia toa tsy manam-pidiny amin’ny setra sedraina, ka ny mpisetra hitony dia izy horàtraina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/meloka
meloka
Rary
meloka aho,fa mandehana mendrika ahy ny fonja anio aza arotsaka eto akory ny ranomasonao sao ritra noho ny amiko adinoy aho... dory ihany koa ireo fitafiako izay tavela aleveno sao hampatsiahy ny tantara ratsiko hatrizay... ataovy vakoka ho tantara ilay teny mamiko fahiny aza aseho an iza n iza sao hianao dia hisy handatsa... ka ho fahoriana ho ahy raha misy koa mahalala mody ataovy tsikitsiky fa ndrao matsy ny an-tsainy hitsaranao ho adala afenoy ihany koa ilay diary kelitsika nosaratana tanaty fitiavana tsy lany sy tsara aok izany afenoi fa aza dorana fa iny sombiniantsika iny mbola hamelona ao anaty, hitantara amin ny namany hoe ireo no mba fananany ka tehirizo raha azo atao ny teniko androany efa nomaniko hatry ny ela ka aza gaga ianao fa andehana,mandehana mendrika ahy ny figadrana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitia-sombintsombiny
Fitia sombintsombiny
Nalison Randrianaivo
Fitia sombitsombiny Aza tsiny indrindra Satria efa fantatrao Tsy miafina aminao Izao fiainako izao Saingy... Angamba fakam-panahy Fa voasintonao tsy nahy Ilay foko ka babonao Ka nilaza tsotr'izao Hoe " tiako ianao " Kanefa... Hitanao tsara angamba Haiko ianao fa tsy jamba Fa mahita anay tsara Eny rehetra rehetra eny Mifanoroka amin'ny molotra Mifampitantana ombieny Ka androany holazaiko Fa iny ilay nolalaiko Iny ilay tiako sy malalako Izay hinoako koa fa anjarako Tiako ianao kanefa Tena tiako loatra izy Eny, Tiako lavitra noho ianao Angamba... Ianao no diso fiantefa Ka aza mora kivy Fa ho avy ny anjaranao Satria dia ho faranako Ho tsoriko eto izao Ho borahiko aminao Fa fitia sombitsombiny No natolotro ho anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/rahoviana
Rahoviana
Nalison Randrianaivo
Rahoviana Fotoana vitsy monja No nahalalako anao Eny niarahan-tsika Ny mamy toa tantely Ny hafanana ny fitia Saingy vetively ihany Dia nifarana anefa izany Satria... Ny ranomaso vao maraina No nirotsaka tsy tana Ny alahelo hila tsy ho tanty Saingy atao ahoana moa? Tsisy azoko atao Fa hifandao isika roa Satria andeha hody ianao Tsy nampoiziko akory Ny alina aho tsy natory Ny tontolo androko rehetra Dia nanjombona daholo Vonton-tsento sy alahelo Mangidy tsy hay telemo Ilay veloma nifanaovana Dia ilay horoka nifandaozana Dia mitoetra foana an-tsaiko Saingy tsy ampy ny fotoana Dia tsy nisy mba hifandraisana Rahoviana indray vao hiaona? Hamita ny dina izay niraisana Saingy... Tsy voavaliny akory Dia lasa izy nandao Ny foko nahatsiaro ory Satria dia lasa ianao Rahoviana indray ary Irony fiarahana mamy Sy irony voady natao Rahoviana re izany Sa ho nofinofy sisa ihany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fitsaram-behivavy
FITSARAM-BEHIVAVY…!
RRAG
FITSARAM-BEHIVAVY…! Jinery mitopy mibanjina anao, manombana maso ny lanjam-pahatsarana, asesiny miakatra avy eny an-tongotrao, izany tokoa ve, ilay tombam-pitsarana? Topazany maso ny kiraro eny an-tongotra, somary jereny ny endri-tavanao, jinereny ny henatra hita misoritra, na koa angamba hoe, mahamendrika anao? Jereo anie ny fitombany ity pataloha, toa misy fihomezana miafina izany, tiliny kely ny satrokao eny an-doha, dia injay izy miverina mibanjina tany. Mety handrora na koa hanafin-tsiky, babon’ny tazany hatramin’izay, nefa aza manantena fa mbola tsy dify, ilay topimasony somary mamay! Ny fitafinao no notombanany indray, dia arahany topy ny endri-tavanao, rehefa tinazany ireo dia izay, no tombam-bidy hamaritany anao. Na izany aza aloha dia ity no tsarovy, misy mijinery ny fanananao, ny olon-drehetra mantsy tsy mba mitovy, ka mety ny harena no hitiavany anao. Na izany aza anefa misy mandinika, mamantatra fotsiny izay toetranao, eo indray dia ny fony no mibitsika, saingy tanany fotsiny tsy ho fantatrao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/kolikoly
kolikoly
Rary
inona marina ny marina? raha tsy misy koa ny diso saingy indrisy tsy ho tafarina fa ho kolikoly ny ampitso levona tsy hita ka takona tsy hipoitra ny zava-marina toa ritra fa mbola nisy koa ny tsolotra tsy fahatrana anefa no afaka fa ady koa ny hiafarany izay bitika mangataka toa halentika hatrany dia noho ianao ry kolikoly takona avokoa ny mariny oh!resinao ny baiboly notsipahinao koa ny rariny navadikao ny tena izy nataonao diso koa ny marina fa ny ambany efa kivy mbola hitsahina tsy hiarina fahatrana,fangenjana adi-tsaina sorisory vola,fanamparam-pahefana dia noho ianao ry kolikoly
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mangetaheta
MANGETAHETA
RRAG
MANGETAHETA Tsy lavina f’ianao, efa manana ny ampy, afa-mampitonitony, ireo sedra izay tsy tanty, tsy mila fisasarana, raha hitady izay ho arapaka, eny e! Raha ny anao, ny vahaolana aza tsy araka. Ny azy anefa toa tsy izany, setrasetra isan’andro, tsy afaka izy ny hitomany, hangataka anjara masoandro! Ny nohaniny omaly, moa tsy rahampitso indray vao ho hita, eh! Ny anao anefa izany, efa ela no toa vita. Ny anao ny fitafiana, moa tsy zary fanasana trano, ny azy sendra may kely, dia efa toy ny angano, tsy misy tsaratsara akory, azony entina mivavaka, ny anao ny eny an-koditra, isan’andro dia toa miavaka. Ny kiraro ny anao, moa tsy efa hila ho trano iray? Ny azy ‘lay hany tontatonta, no nozairiny indray, ny sisan-kanina ny anao, hamahananao alika, indrisy fa ny azy anefa, zaoridira tan-tsobika. Mangetaheta izy, mangetaheta izay fahafahana, ka miezaka mitroatra, sy mampiasa ny hatanjahana, saingy rehefa hoavy koa, ny aretina sy atambo, dia ny voangonangon-kely, no manjavona indray andro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/aza
aza!
Rary
aza aseho,eto akory 'lay tsikinao nalefaka nambabo ahy fahiny mandehana ka izory fa ny foko efa ketraka indrisy(...),ankehitriny aza aseho raha sitrakao fa sao ho babo indray aho aza havoaka eto koa ilay tananao nafana namihina ahy.,tamin'ny alintsika roa fa sao ny foko hifoha ka haka izay tsy anjara hanao an-tery setra, aza havoaka raha sitrakao fa sao ho babo indray aho aza mamaly arahabako na miteny kely akory fa 'lay feonao mbola raikitra ato an-tsaiko fa sao matsy tsy ho tanako ny foko efa natory hametsovetso indray,ny anaranao ry aiko... aza mamaly raha sitrakao sao dia ho babo indray aho
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsarovy-tsara
Tsarovy tsara
Nalison Randrianaivo
Tsarovy tsara Fa mihevitra ve ianao Fa hitoetra eto foana? Hiliba amin'ny harena? Hidola amin'ny vola? Satria moa anananao Ka hoe tsy ho foana? Ny vatosoa sy volamena Dia hoe tsy ho sola? Tsarovy tsara anefa Fa mandalo ianao ety Ka tsy manaraka anao Any ampasanao akory Sao ho diso fiantefa Raha foana ireo satria Tsy mba nozarainao Tamin'ny mahantra sy ory Ka saino tsara ihany Aza andevoziny loatra Aza variana finaritra Fa tsarovy tsara Raha miala ety an-tany Tsy anaraka anao any an-koatra Tsy ho entinao any an-danitra Rehefa any am-para
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indrisy-fa-raha
INDRISY FA, RAHA…!
RRAG
INDRISY FA, RAHA…! Raha mba niandry kely, andro iray monja, ka nanana faharetana, ny akoho vao nisidina, dia angamba kosa lahy, tsy ho toy ny voafonja, fa dia nikopak’elatra, sy avy dia nanidina. Saingy indrisy fa, tsy nanam-paharetana, tsy nanana herin-tsaina, hiandry ny zoma! Tsy nandefa ilavitra, ny fieritreretana, ka ‘njay ankehitriny, dia manenina! Raha nanana fahafahana, nandrava ny ankaso, ny fo sy ny fanahy, dia nilamin-tsaina, ankehitriny mantsy, somebin-dranomaso, sendra dona mafy, maningotra ny aina. Dia lasa tsy mihevitra, ny teny aloa-bava, lasa tsy mandinika, izay lazaina intsony, ka omena tsiny, hatramin’ny lanitra aza, kanefa izany ve moa no, mety hampitony? Raha afaka niandry, tanaty fahanginana, ny soa nandrandrainy, ny tsirairay, dia hisy masoandro, hanampy ny efa mirana, ka ho hasambarana, ho mandrakizay. Indrisy anefa fa dia, nofy anaty nofy, nofy tsy ho tanteraka, no tadiavin-tena, ka isam-binavina, zary tahirim-boky, mbola hanamafy, ny ivom-paharesena. Indrisy fa, raha mba namaly vavaka, teo noho eo ny lanitra, dia niova ny fijery, satria raha isika ireo dia, tsy hisy ho any an-davaka, fa nahazo fanavotana, raha vao miteny kely.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanoitra
FANOITRA
Fredy Jaofera
FANOITRA Fanoitry ny ainga hatramin'izay izy iny vao bainga ny asako iray. Fanoitry ny andro mavitrika ery mahalala mitandro vazo hatraty. Fanoitry ny voady voakolokolo natao tsy handady na azo asolo. Fanoitry ny tena tiana tokoa tadiaviko hitsena ka mazotoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/3p
3P………..…!
RRAG
3P………..…! Indrisy ry tiako fa, novahanao ny fatorantsika, nofoananao ‘lay hafanana, ka zary hatsiaka, notinapahanao ny tady, hifandraisan’ny fo, dia rava tokoa manko, ny antsika roa. Nahoana anefa, no nataonao ankolaka? Dia lefona ivoho, no ninianao natoraka, ka ny fihetsikao, no nanamarika izany, rahoviana anefa, vao tsy hisy tomany? Nampirafy ianao, ka nihevitra ahy ho doma, tsy niteny aho, asa! Noheverinao ho moana, dia nohitsakitsahinao, irony voady natao, ka nahoana moa no, tsy hiafara toy izao? Paiso aho hoy ianao, ka tsy mamakafaka, sa kosa hoe paoma, ka mora ho voambaka? Ka hanaiky fotsiny, izay ambaranao, dia hanaovanao, izay tianao hatao. Poara kosa angamba e! Dia mora fetsena, azo ambakaina, sy mora terena, dondrona mihitsy, no niheverana ahy, ka azo ampiesonina, hatramin’ny aty fanahy. Paiso, paoma, poara, izany ve aho? Sa inona kosa ary ny fiheveranao? Hazo mijoro, ka mizaka ny tsy efa, tsy tantiko intsony, ity ianao misetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-hisy
RAHA MBOLA HISY...
RRAG
RAHA MBOLA HISY... Raha mbola hisy koa, fotoana hitamberina, ka ny lasa indray no, hitsimbadika hiverina, dia ireo tsiaro mamy, no tiako hilomanosana, irony soa natrehana, no tiako mba tsarovana! Raha mbola hisy koa, fotoana hahafaha-mihaona, anaty fifaliana, fa tsy am-po misaona, dia satriko hitamberina, irony tsiky sy hafaliana, irony sangisangy, sy fihavanana nahavariana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/mbola-zaza-angamba
Mbola zaza angamba
samiir lien'ju Rafaralah
Mbola kely angamba ialahy Ka tsy nahatsapa akory Fa ny fo anie rehefa tia Dia matetika toa ory Toa tsy hitany akory Izay lalana hombana Na efa tevana mideza aza Dia iezahana iampitana Ny hafatro leretsy Dia mahaiza fetsifetsy Saino izay hombana Fa ndrao ialahy "dana"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsilon-draozy
TSILON-DRAOZY…
RRAG
TSILON-DRAOZY… Firifiry tamintsika, no nahatohitra hadalana? Firifiry koa izany, no sahy nilaza fa tamana? Raha lala-nodiavina, tomefy sedra tsy hay tohaina, dia ho firy koa moa, no mbola hanana hantenaina? Ny raozy ve tsy tsara bika, kanto meva tahak’izany, fa firifiry tamin’ireny, no tsy nalazo teny ihany? Izy aza toa mba miaro, miezaka mitroatra foana, ka ny tsilony no nanalava, nampitombo ny fotoana! Ny fiainana eto an-tany, setrasetra tsisy fetra, lalana lalovany io, ka hizoran’ny rehetra, tsy maintsy misy ranomaso, mety ho anaty fijaliana, nefa koa ho eo ny tsiky, handravaka ny fifaliana. Koa firifiry tamintsika, no nilavo fa tsy nahazaka? Firifiry moa izany, no mba niezaka nitraka? Tsy nitanondrikondrika, fa nanana ny herin-tsaina, hoe mbola hisy ny mazava, hoentin’ny andro vao maraina. Toy ny tsilon-draozy, ilay feno fahavononana, miaro ny isan’ny fananany, ao anaty ny tokonana, ny fitiavana ao am-po, ilay maneho ny ahiahy, saro-piaro amin’ny tiany, eny hatramin’ny fanahy. Toy izany koa ny saina, rehefa sendra tebiteby, mitady olo-mahatoky, hinoana tsy hirediredy, ka hamboraka ny resaka, ilay atao tsiambaratelo, tsilon-draozy avokoa, ny anjara andraikitr’izy ireo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-laviko
TSY LAVIKO…
RRAG
TSY LAVIKO… Zandrivavy a! Tsy laviko aloha fa, raitra dia raitra, ny fihaingom-bahiny, saingy indrisy fa, ny saina sy fo anefa, toa tsy manaiky, anao amin’iny! Aiza kosa ka zipo, efa ho am-poto-pe, mamenatra loatra ny olo-misaina? No indesinao, mba hirehareha, amin’ity andro tsy inona, fa vao maraina. Ny lehilahy ry zandry, hijery eny foana, na inona fitafy, mety ho an-koditrao, fa indray andro any, dia hisy fotoana, hahitanao ny sampona, noho ny fitafianao. Ny maso mijery hoy ianao, tsy mitondra mody, tsy laviko izany, fa hafa kosa ny an-tsaina, fihetsika kely anie dia, ity no tsarovy, mety hanolanany anao, ka hiantraika aman’aina. Satria tokoa, rehefa tsy azony mora, dia alainy an-tery, amin’ny fomba mamohehitra, ka tsy ho hitanao akory, ny fihodin’ny ora, dia ianao mitomany, mihosin-drà mivoreraka. No tinazanao, ka hanomezanao tsiny ny hafa, na koa haneho fahatezerana, ny lanitra ambony, kanefa ry zandry raha nohenoinao, ny anatra lasa, dia tsy laviko koa fa ilavitra anao, ‘ty andro mahory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanaoko
FANAOKO
Fredy Jaofera
FANAOKO Fanaoko ny mivavaka vao tonga ny maraina tsy ho any an-davaka ny adidy izay efaina. Fanaoko ny misaotra ny zava-tsoa nomena fa tsy mpanararaotra na toa olona tia tena. Fanaoko ny mandika ny teny izay voavaky fa satriko hanjopiaka sy mba hiasa malaky. Fanaoko ny mamboly ny tsara tian'ny maro fa eny lava ny devoly manimba ka fantaro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/miandry-anao-sisa
Miandry anao sisa
Nalison Randrianaivo
Miandry anao sisa Aiza ianao rahavako Fa kely sisa ny hery Hisokafan'ito vavako Tsy maintsy sy voatery Handao anao tsy satry Tsy mba safidy akory Ny ho naman'ny maty Ka tsy ho anao intsony Aiza ianao ry tiako Faingana malaky ianao Fa alohan'ny hikipiako Ny masoko ahita anao Intsony hatory tsy hifoha Tsy akory aheno anao Ireto sofiko an-kiroa Sy izao vatako izao Aiza ianao ry malala Fa ianao sisa andrasana Aingana ianao sao tara Fa efa miandry ahy ny fasana Malala a. Sao dila re e Nefa tsarovinao tsara a Fa izaho no handeha Fa miandry anao any am-para
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/safidy
SAFIDY...!
RRAG
SAFIDY...! Zanako ianao, na tsy naloakan-kiboko, zanaka naterako, ary koa safidiko, sombintsombin'ny aiko, na tsy terako aza. Zanako ianao, hatramin'ny mbola zaza! Safidy, ilay anaranao fiantsoko, zary ainga iray nanosika, sy namafa ny tomaniko, fa toy ny andry hiankinana, ary koa hianteherana. Safidy, tsiky ianao fa tsy ho fahatezerana! Zanako ianao, iray foto-drà amin'ny foko, silako sy aiko, faka iray tsy foiko, namaritra fitia, nanolotra ahy ny zo. Ny nipoiranao dia, nitondra zava-tsoa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/tsy-sahy
tsy sahy
Rary
inona re no ataoko..? fa ny tongotro tsy mety tanako tsy haiko fa tsy maitsy mitsoaka rehefa iny ianao fa tazako tsy hain ny foko nefa hikiry... hiandry ny gadona lalovanao fa na ny vavako moa impiry no te hilaza toy izao.. fa izaho mitsoaka fa akaiky eo ihany mitily anao manaramaso hatrany mody tsy mahita nefa mijery fa menatra aho dia aleoko mihery fa ianao,raha mbola ianao aza antaniana fa haiko tsianjery le fidoboky ny foko asa lahy...? fa izaho hiteny kanefa tsy sahy matahotra ny mety ho valiny sao dia ho nofy eny..ho laviny... ka vao maika hiampy ireto ireto efa niainako... dia ho tapitra hatreto ny tsikim-piainako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-feonao-ry-eritreritro
NY FEONAO RY ERITRERITRO…
RRAG
NY FEONAO RY ERITRERITRO… Any am-parahatoka any, misy feo mihika mafy, misy ako te hivoaka, sy alahelo izay tsy tanty, te hiteny ankatezerana, hibedy ahy noho ‘reo vita, noho ‘reo zavatra nataoko, vokatry ny ditraditra. Ny feonao ry eritreritro, no hany mihazona ahy toy izao, saingy ianao dia niniako, tsy nohenoina tsotra izao, ny feonao no arofanina, tsy nampianjera ahy fahiny, indrisy anefa ankehitriny, totofa-nenina aho sy tsiny. Solafaka aho ka tsy tafarina, noho ‘reo zava-nofinidiko, nefa anie ry feo tsy mianona, mbola tsy efa ny adidiko, mbola misy zava-maro, navelan’ny foko naka toerana, misy koa ireo andraikitro, toa hila tsy hanam-pahataperana. Ny teny tsy nasiako lanjany, no nandràtra ny fon’i Neny, narary azy ireo tabatabako, kanefa izy tsy niteny, ny ompaompa naloa-bavako, no nahatezitra an’i Dada, saingy nangina teny izy, fa toa tsy mba nivazavaza. Any am-parahatoka any, misy feo mitroatra mafy, miezaka mamboraka amiko, ny tebiteby izay tsy tanty, mimonomonon-tsy ankiato, amin’ny saiko ny zava-pantany, any ihany no mba misy, feo mihazona ny sampany. Feo mitàna tsy ho tinapaka, ny rantsandrantsana mamony, feo mamolaka ny fo, sy ny saina mba ho tony, feo mananatranatra ahy, hanova hatrany ny fijeriko, feon’ny eritreritro iny, ilay nampisosa izato peniko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/aiza
aiza
Rary
tonga ilay maraina mazana,toa ventesina dradraina sy renesina sy raketina ao an-tsaina... hoe lasa indray ny haizinao ry alina ireo ola-mahafanina nisy hatrizay fa amiko kosa toa fijaliana hatrany tsy misy fiafarany sa 'zah no kanosa fa hiady sy hisasatra hiady tsy amin sandry mba hoan ny andefimandry sy ireto zanaka aiza indray no misy.. no hahita tohan aina hoa ny menaky ny aina zay tsy mahalala tsisy aiza indray no amidy... hanalana fiafiana sy hividianako fitafiana hoa ireto ankizy aiza indray no hizorako..... hizaha sakafo mba sahaza na dia kely fotsiny aza hoan ny ankohonako aiza indray hijery.... vola hoenti manana hanampina ny eto an tanana mba hamitana ny adidy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tomban-dehilahy
TOMBAN-DEHILAHY…!
RRAG
TOMBAN-DEHILAHY…! Dray re ry tany! ‘Ty maso manombana, toa avy aty aoriana no mandanjalanja, izay ve izany, ilay hoe fanovàna, mba ahafahany milaza fa hoe tena manja? Ny halehibeny moa izany sa ny hafisahany, no tiana hotinazana amin’izato jinery? Ny fihontsony koa ve sa mba ny fironany, no tian-tinazanina an-jipo tery? Avy eo indray ‘ty maso! Manombana anoloana, mibanjina mafy ‘ty voasary roa, dia mahavatra mihitsy! Mandany fotoana, raha tsy izany ve izany tsy tian’ny fo? Topazany maso amin’izay ny endrika, mitsiky ny anao raha vao mahataratara, fa raha hafa no izay dia ho hila ho rendrika, ‘ty masony mijery toa miadaladala. Misy koa ao mitinazana loko, jinereny hoe mainty sa fotsy ianao, misy tsy menatra manavaka foko, rehefa tanindrana dia halany tsotra izao! Ny lehilahy matetika tsy mijery toetra, fa rehefa laniny ny bika sy endrika, dia aminy izay angamba no fetra, nefa tsy fantany fa mety io no handrendrika! Tsy lavina koa irony mijery volo, hoe tsotra sa ngita ny an-dohanao? Fa ny tena izy, ianao ve mahakolo, ny vatana sy ny endrika anananao?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/tia
tia
Rary
itako izy androany moa va,tsy ireny.. anjely tena kanto nitondra ahy hanofy nanonofy 'lay niriako ery hanabakabaka fatratra fijery nanaitra raha miteny fa tsiky faratampony no miseho sesilany amin endriny sariaka mba iza loatra? no olona hofinidiny... tiny tena tiny angamba koa toa azy? bikana ,sady kanto tsotra mahababo mba iza loatra? 'zah koa toa mantany tsisy valiny... angaha moa izaho tsy afaka.. ny hanambara ny ato am-poko hilaza aminy tsy hatahotra ny fitiavako... tsy tanako eny afaka aho... ny hiteny hoe tia anao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/lasa-ny-saiko
Lasa ny saiko
Hatenaina
Hitanao ireny fody ireny? Ireo misidintsidina eny ho eny Varidimiventy hono no vidin'ny roa Dia raha mividy efatra mahazo kadoa Fa ireny hono raha latsaka amin'ny tany Dia hita avy any an-danitra any Hitany ny trace nianjerany Na midadasika be aza ny tany Fa ireny hono tena sarobidy Amin'azy ireny tsy voavidy Fa isika indray Raha ny hevitry ny Ray Dia mihoatra noho ireo fody Na zovy io na zovy Ny fody aza tena kely Fa tsy hadino velively Mainka moa raha olombelona Dia iny izy niala nenina Nanome ilay solovoina Dia ny zanany novonoina Aiza moa lehiretsy Ny volo aza aman'hetsy Dia voaisany avokoa Ka zendana ny fo Ka raha diso ny antenaina Toa haningotra ny aina Dia tadidio ombieny ombieny Fa raha mbola tsy miteny Ny feonao dia efa reny Hitany eny alavitra eny Dia hositraniny iny avy eo Ataony toa tsy teo Fa raha iny ianao mbe mitomany Dia safosafoiny avy hatrany Dia ataony azon-torimaso Dia tsy mahatsapa intsony ny ankaso Sady hoy izy hoe matoria Dia izaho koa hanao hoe:"Bn8"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/azoko-faritana-ianao-ry-k
azoko faritana ianao ry k
Rary
azoko faritana ianao ry kitana, handrakotra ity nosy zay efa rako potsy hapitondra hazavana ireo dibo-pahatrana hamay sy hanantota ireo mpangatra,mpanota hampihena ny sasany hamerina ny lasany hamoaka izay tsy anazy hampaniry retsy ala zay efa tena hana hanondraka ny saha ho maitso sy hampifaha hampatavo ireto biby izay tena sarobidy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-anarako-hoy-ianao-n
NY ANARAKO HOY IANAO…
RRAG
NY ANARAKO HOY IANAO… Ny anarako hoy ianao, tefi-maikamaika, anara-maro mpanana, ‘zay efa tsy mahataitra. Tambatamba-teny, rafirafi-tsoratra, saingy manan-danja, sy hevitra miankolaka! Ny anarako hoy ianao, tinendry fa tsy anjarako, nefa isan’ny singa, nandrafitra ny tantarako. Karazarazana litera, narafidrafitra hiteny, safidy nokinendrin’ny Ray sy ny Reny. Ny anarako tsy iza? Fa ‘lay nahaolona ahy, ilay nitaiza saina, nibea ny fanahy. Ny anarako mamaritra, ny toetra ato anatiko, iavahako amin’ireo, mitovy anarana amiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-nisy-mbola-tsy-nis
EFA NISY…
RRAG
EFA NISY… Mbola tsy nisy izaho, mbola tsy ary ianao, mbola tsy nisy isika, no nofy avokoa izao, dia efa nisy faka, efa nisy rantsana, efa nisy taho, nihary fisandratana, namelana fitia, nitsimoka fitiavana, tsy nisy akory isika dia, namony ny fiadanana. Izao tontolo izao, mbola tsy nisy akory, nefa teny ny fitia dia, efa toa namony, efa nisy felana, nanavaka ny haingony, nandravaka ny ravina, anivon’irony laingony. Mbola tsy teo izaho, mbola tsy nisy ianao, mbola tsy ary isika, dia rary ny talaho, ka nisy teny ho eny, fototra nitàna, nisy ny fitia, ‘lay ritso-nahatamana, nitsiry teny ho eny, ka nandrombin-dravina, tsy tefy akory isika dia, nisy ny fitiavana. Tsy voarary ianao, tsy vita efa aho, dia efa nisy tonta, ary nisy vao, efa nisy tiana, nisy nankahalaina, efa nisy alina, nifohazan’ny maraina. Efa nisy ianao, ‘lay soritra hotiaviko, efa ary ianao, ‘lay silaky ny foko mamiko, efa nisy koa, fitia tsy lefin-taona, niandry andro fotsiny, niandry antsika hihaona. Fa mbola tsy ary izaho, mbola tsy tefy ianao, mbola tsy efa isika dia, nisy izao sy izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/angamba
ANGAMBA
Ny Afy
Angamba tsy ho tsiniko raha hanao veloma, ka hikopa_tanana handao anao etoana, na tsy fidiny aza ,izao angaha no tsara isika koa manaiky ny lahatra sy anjara. angamba tsy hotsiniko raha hody aho, hisitaka handao izao tontolo izao fa efa ampy izay, vitako ny adiko hiara_itoetra amin'i Jesoa Kiadiko. Angamba tsy hotsinin'ilay Ray izay haka ahy, ny nofoko hajanony fa Azy ny fanahy. ka tsy maintsy alainy hisondrotra ambony, dia isaory izy f'izay no sitrapony. angamba tsy hitomany na halahelo akory, ireo tapaka sy namana hiara_miaritory, fa mantsy ny fanahiko dia lasan'Andriamanitra, ka ny hira no ataovy hanaka_danitra. angamba izay ihany ny teny holazaina rehefa avy eo manko dia ho faty izato aina, ka ny vatako hangatsiaka , ny fanahy hisondrotra, dia mahatsiarova tena fa ny andronao antomotra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/zavatry-ny-tany
ZAVATRY NY TANY
Ny Afy
Raha ny zavatry ny tany, no atao indray milaza dia mora levona ihany hatramin'ny mafy indrindra aza. raha ny zavatry ny tany , no andeha asian_teny dia fadio ,tsy faka_mamy satria mielina ireny. fa ny zavatry ny tany, dia tsy mitondra fiadanana ka mety hiteraka tomany, hoan'ireo 'zay te hanana. fa raha ny tena zavatsoa, no tianao hoe kasaina dia katsaho aloha ny ao ambony fa ho azonao 'zay ilaina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/zatranao
zatranao
Rary
lasa fahazaroko sahady ny mijery anao rehefa iny izaho, eto am-baravarakely toa tsy andriko mihitsy aza, ny handalovanao amin'ito lalan-kely eto an-tokotany fa ilay tsikinao nandravaka, soa toa valim-bavaka ny vonikazo kanto tery an-jaridaina ka nampientana ny foko hany ka, zary ho isan-tsegondra ny masoko mitazana eto ambaravarana mba hangarangarana mody tsy miseho kanefa maika ahita ilay endrika sariaka nofisiko isan-kalina k'aiza re ianao?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/tantaram-piainako
TANTARAM-PIAINAKO
Ny Afy
Inona ary no ambarako, raha holazaiko ny tantarako va mba misy hotantaraina? tsy haiko ry mpamaky hajaina. nefa raha ny amin'izany, dia misy saingy kely ihany satria tsotra ny fiainako tsotra loatra ny fisainako. tantara tena fohy dia fohy, indray mihaino tsy mitohy nefa raha mahaliana anao, ny asa soratro araho, fa tiako ho fantatrao sahady f'izaho dia olo_miatrik'ady, mizaka irony tena mafy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hatenaina/ilay-any-ananonanona-any
Ilay any ananonanona any
Hatenaina
Ilay any ananonanona any Ilay tokako eto an-tany Ilay any ambadika any ho any Ilay ato am-poko hatrany hatrany Iza ary izy raha hainao? Ambarao raha fantatrao? Tena tia manompo Izy anie ka dia mazoto Falifaly lalandava Miramiran-tava Tia mijery lafy tsara Tena tia mandray anjara Izy anie ka mahafoy tena An-tsitra-po fa tsy terena Vonona ny hiaritra Sy hiatrika ny sarotra Izy anie ka tsy mba miala Na hafanana io na fanala Na tamin'ny mora na ny sarotra Dia nankato tsy niady varotra Tena tia ny fandaminana Ny sakafo omeny ataony fihinana Jehovah anie no tena namany Hilazany izay tantarany Indraindray izy mba misento Nefa aloha hatreto Io izy fa mijoro Tsy manaiky ho toro Ary mbola tapa-kevitra Ny tsy hiova hevitra Fa hoe ho mandrakizay Ny fifandraisany amin'ny Ray Ilay Rainy mantsy dia i Jehovah Ilay tia azy tsy mba miova Eo foana izy hampahery Manara-maso sy mijery Mahatsapa izay manjo Sy ireo fery lalina ao am-po Mihevitra azy ho diamondra Amin'izao fitia mafonja Fa Satana raha manao tetika Hahavy azy hilentika Dia voafetaka injato Misesisesy tsy ankiato Ka moa ve hainao tsara? Tsy iza akory io fa i ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/raha-izaho-no-filoha-
RAHA IZAHO NO HO FILOHA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Madagasikara Nosy miavaka, meva sy tsara. Kilasiana koa, ho Firenena mahantra indrindra. Ny mponiny mivavaka, hatreny amin’ny alitara. Nosy hanan-karena, raha toa manova famindra. Ny fandrosoany hiankina amin’izay ho Filoha, Izaho na ianao na izy samy mety daholo; Raha mahay manentana ny Malagasy hifoha. Ho marisika am’izay ny tena hanova ny tontolo. Raha izaho no ho Filoha, … Alohan’ny rehetra dia hankinina amin’ny Tompo, Ny vina sy ny fandrosoana heverina hatao. Ka Izy hanolo-tsaina ho an’ireo izay hanompo, Vonona hamadika ity Firenena efa tonta ho vao. Raha izaho no ho Filoha, … Ny toe-tsaina miankin-doha mila hovaina tanteraka. Mba hanan-kambo amin’izay ka ho tena Malagasy. Hiezaka hiara-mihoitra, tsy hanao tantireraka. Hisaina ho tena Malagasy fa tsy vazaha taratasy. Raha izaho no ho Filoha, … Ho vaindohan-draharaha ny fandriampahalemana. Havaozina ny fampianarana ho araka izay filàna. Hokajiana ny fahasalamana ho laharam-pahamehana. Ny olona rehetra ho samy ambanin’ny lalàna. Raha izaho no ho Filoha, … Ny fambolena, ny fiompiana ho ezahina hivoatra. Ny harena ankibon-tany hotrandrahina ara-drariny. Tsy hisy Malagasy intsony ho tezitra, hitroatra; Ho tsapa mantsy fa hahazo tombony ny taniny. Raha izaho no ho Filoha, … Ny harena an-dranomasina ho an’ny Malagasy. Tsy ho tompony mangataka atiny fa tena hizaka; Izay tsy hanaraka izany, avelao hangasihasy. Tapitra eo ny gaboraraka ny Firenena kosa hitraka. Raha izaho no ho Filoha, ... Ny zava-novokarina alohan'ny hanondranana azy ; Hahodina, hohatsaraina ho lafatra, ka hiaka-bidy. Mba hisy fiantraikany ho an'ny isam-pianakavy. Rehefa sambatra avokoa ny olona dia vita ny adidy. Raha izaho no ho Filoha, … Hojerena manokana ny lalànan’ny fananan-tany, Ireo Malagasy nanamainty molaly mba tena hisitraka. Mifarana hatreo ny vaky fasana, very taolam-paty mitomany. Hamoraina koa ny famindrana lova ka tsy hisy hisintaka. Raha izaho no ho Filoha, … Tsy hisy foko ambony na ambany hozarazaraina; ‘Zay fanaom- panjanaka ahafahany manondrana. Izany rehetra izany mitaky fiovan-toe-tsaina; Iray ihany ny Malagasy tsy misy tanivo tanindrana. Tsy izaho mihitsy anefa no ho Filoha, … Fa soso-kevitra atsipy sao misy ihany mandray; Na anjara biriky atolotra hampandroso Firenena. Ankinina amin’Andriamanitra, Fanahy, Zanaka sy Ray. Dia azo antoka tanteraka ny hisian’ny fandresena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/tiako-ianao-nefa-
tiako ianao nefa ••••••••
Sento tokana
TIAKO IANAO NEFA........... Avelanao ipitrapitra ve? Ity foko tena tia Avelanao angatsika ve? ity fitiavako miandrandran-dry. Eny mety tsy ho fantatrao mihitsy angamba satria ianao efa azy. Tsy mahatodika aho, tsy mahajery rehefa tantanan'iny olona iny ianao. Ka ity foko no zary mipitrapitra kely De aleoko mandao tsy mijery. Rakotr'aizina ny taniko rehefa tazako ianao "orohany" Satria ianao ilay mamiko tsy mba mahafantatra ahy akoriny. Fa nahoana ary aho no jamba Nefa jamba taminao. Fa nahoana ary aho raha tena jamba de tsy nahita ny hakantonao angamba.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary/iny-taratasy-iny-efa-noma
iny taratasy iny efa noma
Rary
iny taratasy iny efa nomaniko hatry ny ela saingy ankehitriny efa rovitra sy lena iny mantsy no nilazako namborahako ny tao am po izay dingana niampitako amin fitiavan olon-droa tetezana havitako haneho ny tena marina hamoy ny fahazazako hanadino sy hanarina eny,noho ianao tovovavy iray manaitra natokoka ho anao ilay taratasy tena raitra saingy indrisy maloka ny lalana rako-javona ilay tsiky fa nasetrinao fandavana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/hianao-no-mahalala
Hianao no mahalala,
Antsa tononkalo.R
Hianao no mahalala Fa misy fo mitepo ao anaty fo mitia, Ary misy fo mitia ao anatiko ao mitepo. F'ianao no malala, angamba koa minia... Minia tsy mahalala ny ao anatiko ao satria? Izay tia anie... Hianao no mahalala, Fa misy koa fitia, amin'ny topy maso adalan' ny fo nifampijery F'ianao no malala, na aza hoe minia... Manafina sy miery. Dia fantatra eny lala, f'izay tia anie... Hianao no mahalala, Ny fo rahefa tia, tsy azonao fonjaina Hidiana anaty vala, Na aza ianao minia Io fitiavana io mahery tsy vitanao tohaina F'ianao no malala, Izay tia anie... ADALA!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fonja-pitia..-kanto-dia
FONJAM-PITIA..!
RRAG
FONJAM-PITIA..! Kanto dia kanto ny fonjam-pitia, raha samy tia izy sy ianao, tsy misy ao ny fihatsarambelatsihy, ilavitra koa ny fo mitalaho! Ny rojo miendrika fanantenana, fonjam-piadanana io sa tsy izany? Ny trano miefitra dia hahatamana, fitia mifamaly tsy misy ohatr’izany! Ny mpiambina tsotra ka mitondra ny taratra, toy irony voninkazo an-jaridaina, ny andavanandro toa tsy manasatra, satria tena tsy hisy raha ny taraina! Miavaka koa ny rindri-manefitra, mihaingo ohatr’izany ka tsy mankaleo, ny alina aza tsy bedy raha mierotra, izany angamba ny zavatra hiseho! Fonjam-pitia mahate onona, lapan'ny fiainana toa volamena, iza amintsika noho tsy ho vonona, na hovidina aza izany eny an-tsena? Nofy ny ahy e! Nofiko ihany fa aza disoana, nofy ririnina mamatotra ahy, ka zary sary tsy tiako vonoina! Fa ny fonjam-pitia dia tontolon'ny nofy, misy hasambarana lafatra indrindra, hita ao ny tamby arahana tosy, fiainana tiana ho tsara rindra, saingy tsy hisy raha eto an-tany, ny omaly aza voadona sahady, ka nahoana izy no tsy hitomany, raha nilaozan'ny tiany tanaty ady? Ny fonjam-pitia izay tena misy, dia ny andavanandro iaraha-mahita, ao fifaliana, fijaliana indrisy, mbola ady mafy iaraha-miampita, ka ny fonjam-pitia dia tontolo mifameno, misy ny tsara, ny ratsy tsy hadino, tsy misy aloha ny lafatra sy feno, fa mbola hisy io, izaho mbola mino!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-andronny-fahazazana
NY ANDRON'NY FAHAZAZANA
Fredy Jaofera
NY ANDRON'NY FAHAZAZANA Ny andron'ny fahazazana, andron'ny tsy fahalalana fa nanoritra teny sahady ny fiainako ho be adiady. Ny andron'ny fahazazana, andron'izay fahabangana tsy tsaroana ho nanorana fa nanehoana fahatsorana. Ny andron'ny fahazazana, andron'ny tsy azo fafana fa nipoiran'ireo disadisa nandrava an'ity paradisa. Ny andron'ny fahazazana, andron'ireo be fandrarana fa mamiko loatra, na izany, ka mbola mahalasa vinany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/izay-tia-adala
Izay tia adala
Nalison Randrianaivo
Izay tia adala Izay tia tokoa adala e Tsy mahay misalasala Mandresy izato tahotra Ka sahy tsy mivahotra Izay tia tokoa adala e Fa te hanana malala Ka na saotra ary izany Dia ny ho tiaviny ihany Izay tia tokoa adala e Tsy mahay mankahala Fa avy dia tokam-po Heee. Tsy manam-paharoa Izay tia tokoa adala e Ka misisika hahalala Ny tena ao am-ponao Satria babo tsotr'izao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/jambanny-fitia
Jamban'ny fitia
Nalison Randrianaivo
Jamban'ny fitia Iny ianao raha tazako Niserana sy nisoko Namikiviky ery Saingy nitselatra ny foko Ka jamban'ny fitia Dia nitady anao foana Hitantana ity tanana Dia naniry mba hiaona Hifanena eny an-dalana Angamba fa jambena Ity mason'ity foko Tsy nahita izay nojerena Raha iny ianao nisoko Nanjary tsy nisalasala Te hioty ity vonin-kazo Saingy ny tia adala Ka velom-bazovazo hany ka mora voababo Mora voasarika Satria efa voamarika Eny amin'ny endriko Ireo fiteny nokinendriko Dia ny hoe tiako ianao Ka ho tiako ho doria Tsy ahita intsony aho Satria jamban'ny fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/lavo-saingy-tsy-mba-maty
LAVO SAINGY TSY MBA MATY...
RRAG
LAVO SAINGY TSY MBA MATY... Isan'ny hira tsy maty am-po,'lay teo Ankadifotsy, kanto ireny ka tsy mba ho lo, zary firotsy, fiventin'ny fo iny sendra alahelo,mitamberina anaty, na koa sendra zavona mihelohelo, tady hanasy! Dia lavo tokoa mantsy ilay be nofinofy, lavon’ny fasana, dia i "Om-Gui" mpitondra ilay rotsy, no injay fa lasana! Tsy nahandry akory ilay fety farany, izay nokarakarainy, fa ny azy ny lalany, tsy maintsy novainy! Tsy maty izy fa lavo, ny asa-sorany mbola mitoetra, namonjy izy ny avo, hitazana antsika rehetra, eny mandria, mandria am-piadanana, ao matoria, manofisa ry namana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ianao-lay
IANAO ‘LAY…!
RRAG
IANAO ‘LAY…! Misy ritsoka tsy tafany, tiany avoaka ho ren’ny hafa, misy jerin’iny lasany, toa tsy tiany ho voafafa, mitamberimberina eny, mandrotsirotsy ny aty fony, zary tsy mahaloaka teny, amin’ny saina tsy mba tony. Fa dia mitsiaro ilay nofy, filalovanao matetika, mimanimanina ireo tosy, tsikitsiky amam-pihetsika, ilay nambabo ny eritreriny, namoha ny torimasom-pony, injay izato hakanton-jeriny, ‘lay nofy tsy nimpody intsony. Nilaozanao iny aliny iny, tsy novangianao intsony, iny aretin-tsainy iny, no nandrotika ny fony, mieritreritra eny foana, fa ianao mbola handalo, saingy tontolo efa foana, satria ianao nanova kalo. Efa olon-kafa indray, no fitsidikao matetika, efa olon-kafa indray, no nanaovanao ‘lay fihetsika, efa olon-kafa indray, no misantatra ‘reo safo, ianao ‘lay nofiny nandao, no zary novidiny lafo. Ianao ‘lay notiaviny aza, toa tsy menatry ny nandao, ianao ‘lay notiaviny aza, vetivety dia efa lao. Mainka moa ‘zay mbola hoavy, moa ho tamana toa anao, tsy ho vetivety kely aza, dia efa tsy ho tazany ao?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/horohoronity-foko
HOROHORON'ITY FOKO...!
RRAG
Fotoanany ve izao? Asa ah? Anao no mandinika! HOROHORON'ITY FOKO...! Tsy kisendrasendra ve, no nahitako ity anjely? Bikàna ery anaty tsiky, mahafinaritra ny jery! Manintona ahy sy ny atim-poko, babonao sahady aho, jereo 'ty izy mitoloko, ka babo hatramin'ny fanahy! Mihorohoro izy izao, te hamihina anao, renao ve izy mitalaho, izay mba te ho namanao? Te ho tokana ho anao, hikolokolo voninkazo, mahatokisa fa raha 'zaho, dia tsy hamelanao halazo! Mihovitra ry tovovavy, mientanentana 'ty foko, vaky hatramin'ny tomany, kinanjo resin'ny toloko, mipararetra ny atin-tenako, te hitroatra mba ho anao, ka tsy rariny ve, ny hahazoako, ny fitiavanao?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nahoana-kosa-moa
NAHOANA KOSA MOA…?
RRAG
NAHOANA KOSA MOA…? Raha setrasetran’olona, tsy tia fa mankahala, no fingana manosika, ny aina an-drangolahy, dia zaka ihany angamba, tsy hasiana salasala, ka havela hitony, ny fo tsy hiahiahy! Raha tosika niniana, nasiana herin-tsandry, no nitondra an-davaka, lali-maizin-kitroka, dia mbola misy ihany, hery iray fiandry, i Fanantenana, famafa maso ditsoka! Fa raha toa ny lahatra, no minia misetra, mikapoka ivoho, mikiry haningotr’aina, dia tsy ho hay mihitsy, izay ho tena fetra, hinoana anefa fa, hanjaka ny taraina. Na ihany koa hoe indray, ny anjara no mivily, mitady lalan-kafa, tsy hihaonana amin’ny tena, ka maso efa jamba, no injay mitilitily, dia tsy lavina fa hianjera, anaty faharesena! Nahoana kosa moa, ny tendry no nanavaka, tsy mba nitopimaso, ity kamboty kely? Ka niandry tsy nahalala, izay valim-bavaka, hinoana fa tsy hisy, na dia am-baraventikely. Nahoana ihany koa, ny vintana mba namana, no ninia nisintaka, raha sendra ady mafy? Izy ‘lay nantenaina, no namotsi-tanana, nanosika ny aina, tanaty vvatam-paty! Kamboty tokoa moa, dia tsy manan-kitarainana, mahantra tsy satry, ka atositosika eny, nahoana kosa moa no, ferim-panaintainana, no mandrakotran’ny vavan’ireo izay miteny? Sa rehefa osa, tsy manan-kianteherana, dia fakofakon’olona, fanao an-dabam-pako? Saingy kosa anefa, ilao fiheverana, fa misy farany ihany, ny hira an-damako! Mety hoe izao, anay ny ho voahosy, anay no voatebaka, amavomavonareo, fa hisy andro, mainty ho lasa fotsy, nahoana kosa moa no, tsy ho anjaranareo?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/paingotra
PAINGOTRA…!
RRAG
PAINGOTRA…! Eh! Any ho any izao, dia misy fo maràtra, mba mieza-mampitony, ny feriny ao anaty, sendra voankason’ny, sedra efa mahazatra, kanefa tsy milefitra, amin’ny raha tsy tanty! Azo koa heverina fa, any ho any misy sento, tsy mety mba mangina, anaty fitoniana, indrisy vokatr’alahelo, natamberim-betso, satria tokoa mantsy, nilaozan’olon-tiana. Any ho any koa, tsy maintsy misy ranomaso, mirotsaka mijojo mipatrapatraka eny, voka-pijaliana, tena resy mafy reraky ny ady, sy tofoky ny ankaso, ka tsy afaka hanatanteraka, ny vetsom-paniriana. Tsy azo hadinoina koa fa, any ho any misy fo, misaona mitomany fa, nilaozan’ny tiana, tinapaka ny lalany, tsy afaka hiara-droa, satria itsy farany, nandao ny fandriana! Namonjy efi-bato, fonenan’ny olo-maty, hisarahany amin’ny velona, mandrakizay! Paingotra ny fiainana, misy setrasetra mety tana ihany, ny fanaintainana anefa, dia tsy ho voazaitra hatrany, fa dia mitoetra eny, mifaraingoka amin’ny tany, paingotra harafesina saingy indrisy, manindrona ihany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ankosoka
ANKOSOTRA…!
RRAG
ANKOSOTRA…! Nitia ianao dia hoe, tsy maintsy hotiavina? Ka ‘zay teninao dia, tsy ilaivana fandavana. Nitia ianao tokoa, ka dia niara-droa, saingy kely moa, moa ve ka voka-po? Ankosotra ny jery, ny hita tsy mba marina, ny fo mitepo ihany, no tsy afaka amboarina, saingy mety koa mamitaka, ny fahatsapana azy, ka ny tena izy dia, mety ho sarim-bazivazy! Nitia ianao satria, tody olon-tiana, nifampizara toky, naraham-binavina, dia nanantena hatrany, fa tsy ho rava intsony, nefa tsy fantatrao, ‘zay tena ao am-pony. Ankosotra ny fihetsika, ka mora mahababo, ny maso mijinery, no mety koa mandavo, fitaka avokoa matetika, ny tinazana ivelany, fa raha te hatoky, dia zahao aloha ny felany. Nitia ianao nahoana, no tsy nahita fỳ? Ka ny efa an-tananao, no zary toa hitsihany, tiany ho alaina, ho isan’ireo amboara, efa eny am-pelatanany, ka mitandrema tsara! Ankosotra daholo, ny tombantombanao, ny fitia mantsy anie ka, tsy misy mankalao, fa tiana avokoa, izay soa sy sedra izorana, na io tara-masoandro, na erika io na orana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-samy-hifidy-ihany
RAHA SAMY HIFIDY IHANY...!
RRAG
RAHA SAMY HIFIDY IHANY...! Raha samy hifidy ihany, tian’ny tsy tiana, sa hitia ny tsy tia, dia aleo tsy misy akory? Fa sarotra ny hamatotra, fitia iray nirina, k'aleo ny fo hangina, aleo izy hatory! Tsy misy mahatsara, ny mitia tsy tia, na miaraka amin'ny tsy tiana, raha olon-kendry ianao! Fa izy roa ireo, dia endrika, fihatsarambelatsihy, mety hamela fo, fo maro hitalaho! Ka raha samy hisafidy, hitia ilay tsy tia, na hotiavin’ny tsy tiana, dia sarotra ny tantana! Satria ilay fo nofonjaina, nosetraina, sanatria! Toy ny jabora, mihahy amorom-patana! Dia aleo tsy misy, tsy ary akory ny aina, satria ny iainana eto, dia tsy maintsy ho taraina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/misaotra-anao
MISAOTRA ANAO...
RRAG
Ity aingan-tononkalo ity dia nosoratana manokana ho an’Iaro Mickael (Teraka ny 20 Mey 2018 teo “Andron’ny pentekôty”). “Fa teny ho eny koa kay, nisy fahagagana…!” MISAOTRA ANAO... Hay ve ka nisy e! Nisy fahagagana, tsy takatry ny saina? Natopitopinao mba, ho vintana sy anjara, iainana eto an-tany, ry lanitra ambony, ny lalana malama, maningotra ny aina, dia isam-pahoriana, fototry ny sento, nitondra ireo tomany. Fa teny ho eny koa, dia nisy fitsiriana, niteraka fiaviana, nisy fahatongavana, vonin’ny fitia, ‘zay aina avy amin'ny aina, nondesim-pahasambarana, novokarim-po, dia ‘lay tia sy ny tiana, ka namaritra fanilo, nahafaha-nanazava, ny ivon'ny maraina. Misy tokoa kay, tsy takatr’eritreritra, fa misitery miavaka, mandravaka tontolo, mihary filaminana, mandrindra ito tany, misy ireo tsiky, manoritra ny endrika, no zary toa mandravaka, irony hafalia-mikolo, anivom-panantenana, 'zay mbola any ho any. Ary izao ny aina, sombintsombim-pamatorana, anatin’ny fitiavana, niarahana nanapaka, ary koa nanoritra, mba ho tanjona kinendry, handevenana ny lasa, hampamony ny hoavy, izay fatoram-pihavanana, ka misaotra anao indrindra, ry vintana sy anjara, an-daha-boatendry. Io izao ‘lay “IARO”, ary avy amin’ny aina, fa notohofana fanahy, novolaina tam-pitiavana, ho sombim-pamaritana, ny dingam-pifamatorana, Arofanin’ny hantsana, sy ‘reo sedra maromaro, izay mbola mampanahy, arom-pandeferana, mihazona fitia, ao an-kianjam-pahatsorana. Misaotra indrindra anao, ry Ray be fitiavana, nanolotra ‘ty aina, aina sarobidy, izay fanomeza-miavaka, natolotrao ho anay, io mantsy no “IARO”, sombin’ny ain’ny fo, isan’ny ho hantenaina, handringana ny setra, handrava irony fetra, ka afaka hampiray. Tsy hay ny hangina, raha misy tolo-po, miendrika valim-bavaka, tsy hay ny tsy hisaotra, ny lanitra ambony, nanolotra izany, tolotra hafa mihitsy, voalohan-dimby, fanomeza-miavaka, ka aza omena tsiny, raha feno fifaliana, dia latsaka tomany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sorona
SORONA
Fredy Jaofera
SORONA Nanaovana sorona vao nisy izay azo, na toa nandrorona sy niharan'ny tazo. Nanaovana sorona vao tody ny tanjona fa tsy nanamorona an'izay nihanjona. Nanaovana sorona vao niova ny taona fa tsy lasam-borona sy mbola nisaona. Nanaovana sorona vao 'ty tahaka izao fa tsy mpamorona ny lainga ho anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fahatsiarovana-ny-fitsing
TSIARO...
RRAG
Fahatsiarovana ny fitsingerenan-taona nanoratana ilay tononkalo "LAVO SAINGY TSY MBA MATY...". Izay tolotra manokana ho tsiahy an'i........ (Erikerika manify....... Ankadifotsy) Indrisy ry tany be siasia! Dia nalavonao e! Ilay aingam-pitia, fototry ny hira mitamberina an-tsaina, raha sendra tomany, na sendra taraina. Dia lavo tokoa a! Nianjera tsy satry, ny nandaozany anay dia mbola tsy tanty, saingy atao ahoana, fa izay no anjara? Sori-baovao, manori-tantara!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/segaondra-iray-monja
SEGAONDRA IRAY MONJA…!
RRAG
SEGAONDRA IRAY MONJA…! Maso mba nitopy, nibanjina tsy nahy, ny sori-tavanao, no resin’ny jinery, babon’ny hakanto, teny an’endrikao, segaondra iray monja, dia toa efa lavo, potika aminao. Tinaratra ‘lay tsiky, manoritra hafaliana, tsy hita hofaritana, ‘njay! Izato endrik’olon-tiana, toa mampangitakitaka, mampitroatra mafy, ny fo ‘lay te hiloaka, izato anjara vintana. Segaondra iray monja, no hany nahatazanana, ‘ty masonao nitopy, dia efa resinao, tsy nila teny akory, tsy nila rotsirotsy, ‘ty fo izay tena babo, raraka aminao, ka maniry anao hitosy. Segaondra iray monja, dia efa dify ianao, tsy taza-maso intsony, ay! Marary ny aty foko, marary mafy, toa tsy mety tony, ny fitiavako efa taitra, ny foko lavonao, toa efa tsy hatory. Segaondra iray monja, tsy takatra isaina, anaty ora maro, dia efa nisy sento, efa nisy vetso, nifangaroharo. Segaondra iray monja, no nitsiry ny ainga, nivadika ho kalo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/any-ambany-rangolahy
ANY AMBANY RANGOLAHY…!
RRAG
ANY AMBANY RANGOLAHY…! Misy naman-tsy mahafoy, misy havan-tena tiana, kikisam-bovo-tany mena, any ambany rangolahy, misy vatan-tsisy aina, ilay lavom-binavina, ilay natolefiky ny ady, ‘zay nilaozan’ny fanahy. Any ambany rangolahy, misy nofo mihintsankintsana, misy vatana tsy afaka, hitroatra setrasetran-tany, ilay nazeran’ity fiainana, ka nanafoana irony dingana, izay nitondra sedra maro, ary koa ny tomany. Any ambany rangolahy, misy tia nandao ny tiana, misy tena tsy mahafoy, tsy nanadino irony lasa, ilay nitoky velirano, nosaronana ‘reo dina, any ambany rangolahy, no milevina ny ràtra. Indrisy ianao ry laha-piainana, dia nisangy tsy niera, nisetrasetra fiaina-maro, ka namoti-betsovetso, ka any ambany rangolahy, ny ain’izy iny no nazera, dia nalaina tsy ankiera, tsy ho namanay hiara-hisento. Any ambany rangolahy, no misy ilay sampanan-dalana, tinerena holalovana, sy hodiavin’olombelona, any ambany rangolahy, no koa milevina ny marina, ilay nafenina tsy ho hita, tsy taka-mason’ny velona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/alahelo-anao
Alahelo anao
Nalison Randrianaivo
Alahelo anao Lasa tsy himpody intsony Ilay malalako tena tiako Nalain'ny Ray ao ambony Ka tsy mahatsapa ny fijaliako Tsy mety mionona ny fo Tsy mety mino ny saina Saingy atao ahoana moa Lasa izy ilay nantenaina Maratra mafy ny foko Toa tsy ho tantiko izany Zary sento sy toloko Ranomaso sy tomany Izay sisa no fiainako Andaniko ny andro sisa Fa ilay hany fitarainako Intsony tsy ho hita Tsy mety afaka ny fery Raha sendra mahatsiahy Satria dia izy irery No tiako sy tia ahy Efa natokako ho azy Ny androko rehetra Saingy izy lasa sahady Nandao tsy hitoetra Marary ahy izany Satria isan'andro izao Dia mirotsaka tomany Malahelo anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/izany-hono-e
IZANY HONO E!
RRAG
IZANY HONO E! Mba mahagaga e! Ny maso mijery, manaraka ho azy, ny vava miteny, raha sendra mahatazana, itony tanora, mora resim-pitiavana, mora babon'ny vola! Jereo moa ity e! Tantara iray, sendra nandalo aho, tamin'izay, teny Ankatso teny, no niseho ny tantara, asa izaho no tsy maharaka, sa izaho mihitsy no tara? Hoy ity tovolahy, toa mpitaingin-tamboho: “Babonao aho ry anjelin'ny tany, babonao ny fo, tsy tanako intsony fa toa te hitroatra, hivoaka ao anaty, raha tsy ambara dia mety hamono, mety hahafaty!” Hoy indray izato tovovavy mpandalo, mibaby kitapo: “Ny vovòn'alika tsy henoina akory, fa mampihinana tsatso, balahoasi-mpanofy, izaho no hoe devoly i? Mba mieritrereta, mihevera tena, rehefa mamo tsy matory i!” Dia zendana ery, ny tena hitsara, ilay tovolahy ve, no miadaladala? Sa ilay tovovavy, no tsy mihevitra, ny teny havoaka? Fa ilay fifamaliana tamin'izay aloha e! Efa tafahoatra!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fototra-faharoa
FOTOTRA FAHAROA…!
RRAG
FOTOTRA FAHAROA…! Matetika tsy hita, hinian-tsy tazanina, irony zava-bita, nahatonga olom-banona, nahatonga olon-kendry, toky sy rehareha, dia mbola ny sori-tendry, no lazaina fa lehibe! Kanefa anie tsy iza, fa i Dada ilay niezaka? Nandrava ny mangina, ary tsy nifezaka, no fototra faharoa, nihary sombin’ny aina, vokatry ny fo ka, tsy nasian-taraina. I Dada ilay nahaolona, andry nianteherana, ilay namaha ny olana, tsy tamim-pahatezerana, fa tamin’ny zoto-po, tsy hay lanjaina fetra, nikaroka ny soa, ho an’ny zanany rehetra. I Dada ilay matetika, tsy hita tao an-trano, izy koa no imbetika, hidirana angano, handoa ny trosan’olona, noho ‘ty zanany adala, izy no vahaolana, tan-davaka malama. Fototra faharoa, ‘lay voa iray namony, ilay nanolo-tsoa, ny fo tsy nety tony. Ilay ‘ndraindray hadino, kanefa manan-danja, tena tsy mampino, hoe tsy mpameno banga. Fa tena aina iray, anaty fon’ny tena, i Dada no mpampiray, anivom-pandresena, fototra faharoa, fa aina fenon’ny aina, nitondra ireo nahasoa, sy taratry ny maraina. Fa hafa koa i Dada e! Miavaka sy tokana, niahy sy nitaiza, toa manam-pitia manokana, miaro sy mitsinjo, ny hoavin’ny taranaka, hafa koa i Dada, Ray tsy mahafoy ny zanaka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fe-tsy-boky
FE TSY BOKY…!
RRAG
FE TSY BOKY…! Nahoana no avelatra, tarafin’ny mpandalo, 'ty fe anao ry kala, mba hojinereny? Nahoana ny tsio-drivotra, ilay nampimalo, no tsy notsaroanao, foiny aho niteny? F'indrisy ankehitriny, zipo fohy toa tsy afaka, tsy manam-pahafahana, manarona ny atiny, nondesinao hisintona, itony biby an-davaka, izay efa diso zatra, manandrana ny patiny. Ny fe anie tsy boky e! Ka azo avelabelatra? Ny teny miary toky aza, toa mbola manan'elatra, ka mainka izato saina, mahita ny tsy tokony ho tazany, mba fantatrao ve 'zao, ny tena endri-tavany? Ny fe tsy boky hoy aho, ka mety aderadera, azon'ny tia mamaky, mamaky tsy miera, azony avadibadika, amin’ny pejy tiany ho hita, ry kala mba mahalala ihany e! Na dia mangatsiaka. Ny fe tsy ho boky mihitsy, ka atao fampirantiana, dia hoe: “Ity ve ‘zao no tsara, f'ity toa tsy manaitra”? Saingy kosa moa, izay ve izao no tiana, dia izay ambarako eto, tsy ataonao mahataitra? Ny fe hoy aho tsy boky, fa zava-tsaro-pady, zava-tsarobidy 'zay tolo-janahary, mendrika hajaina, tsy ilaina ho hita akory, ho tazan'olom-pady, ry kala a! Raha mety, eo mba tongava saina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/doria
DORIA…!
RRAG
Hoy ny ohabolan-drazantsika hoe: “Anao aho ka mora, fa raha an’olona aho dia sarotra”. DORIA…! Aiza ho aiza moa izany, ry tiako 'reo teny, naloakan'ny vavan'ny fo 'zay tena tia? Tsaroako hatrany, 'rony masonao nijery, toa avy hatrany dia nizara, namafy ny fitia! Mangidy tokoa mantsy, 'zany saraka aminao, mitroatra ny tadidy, mifoha ny efa mandry, toa foana ho azy teo, irony vina izay natao, ka veloma mandrakizay, fa tsy mampamangy. Noraofin-drivotra nandalo, nindaosin’ny tadio, nentin-tsetrasetra, ny fitiavana namony, tsy namako, tena tsy namako, intsony ianao anio, ka rariny dia rariny, ny foko raha tsy hitony. Aiza ilay doria, ilay hoe mandrakizay ry tiana? Aiza ilay fitiavana, nifamatorantsikaroa? Aiza irony fo, izay nitamba-binavina? Fitiavana akory e! No toa izay dia efa lo? Doria! Toa fatorana voafetra, ety anivom-pitiavana, doria! Mbola isan-tsetrasetra, nandrava ny nofy, tenikely manan-danja, saingy mainka nampisaraka, doria! Lefona nandràtra fo, dia 'lay fo varia-nirotsy. Nirotsirotsy irony dingana, niarahana niampita, ilay doria kay toa fingana, nanasaraka antsika, nampihombo ny efa ràtra, teo alohan’ny fitia, aiza ho aiza amin’izao, ny fetranao ry doria?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/indro
INDRO…!
RRAG
INDRO…! Indro raozy iray niria, nihevi-tena tsy halazo, no nalavon’ny fivoarana. Tovovavy iray nania, nikiry hananika ny avo, nianjera tan-tsampanan-dalana. Ilay nikohizana fahiny, noho ny ditraditra efa vitany, teny anivom-piarahamonina, indrisy anefa ankehitriny, ny ranomaso indray no ritrany, milaza tena ho leo monina. Ahilikiliky ny hafa, sao hamindra aretina hono, amin’ny dimby vao mamindra, zary nenina ‘reo lasa, diam-penin-tsy voavono, toy ny aretina mifindra. Alavirin’olo-maro, atositosiky ny fiainana, dia mitokantokana eny. Indrisy tsy afaka hifangaro, mandefa ilavitra fisainana, ka dia miteniteny irery. Indro tovovavy iray niria, nihevi-tena tsy ho lavo, no natontam-pandrosoana. Raozy mena iray nania, naka loko mavomavo, no lasa akanim-pahalotoana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fangaha-alika-e
F’ANGAHA ALIKA E?
RRAG
F’ANGAHA ALIKA E? Asa re ry tiako raha, toa tsy tsaroanao, irony latsalatsa, natorakao ny foko? Fony ianao niketrika, nikasa ny nandao, ka tsy niheno akory, ahy ‘lay nitoloko. Ompaompa izany, esoeson-teny, kapoka marary, nandràtram-panahy, ny masonao aza, toa tsy nahasahy nijery, asa, mbola nanana ahiahy? Ankehitriny indray, nimpody ianao fa hoe tia, nanambitamby ahy, tsy nanam-piafarana, aiza ilay fahiny, nahery ianao satria, nanana ny ambara, satria ve tsy tamana? Atambereno kely, ilay vava latsakao, ‘reo teny tsy noheverina, fa mbola hitroatra koa, avereno hoe ny alika, no miverina amin’ny nankalao, asa lahy raha, alika koa ianao o? F’angaha alika retsy a! No tsy mahatana teny? Tsy menatra ny hitamby, rehefa voa avy any, aiza ilay fahiny, niseho tsy ho tratra ireny, k’indray ankehitriny, mandady mitomany? F’angaha alika ianao, no miverina amin’ny lo? Be vava ery fahiny, tsy mahatsapa izay hahavoa, nirehareha fatratra, fa tsy ho lavon-tody, nianjera tany an-tatatra, f’izay vao hoe hody. Sanatriavo izany, hamerina hitia, hitia anao ilay, nandràtra ny aty foko, ka mainka koa hoe, handray alika dia, mikafiry taolana, dia mody mitokoko. Sanatriavo izany hoe, mbola hiverina aminao, eny aza na dia hoe, tena mbola tiako ianao, fa tsotra ny ahy ny teniko, ‘ndeha dia aza miverina, ny tody koa tsy hisy, saingy ho rojonao ny nenina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsininao-sa-tsiniko
TSININAO SA TSINIKO…?
RRAG
TSININAO SA TSINIKO…? Vohitra tsy ho ahy, raha ny fitiavanao, kanefa dia nihanihako, ny rehetra aminao, tiako tsotra izao, tontolom-pifaliako. Midoboka tsy miato, ny atinao ry foko, ka mampitroatra ahy, ny fitiavako anao, no hany fitoniako, ilavitra ahiahy. Tsininao sa tsiniko, ity mitia mangina? Tsy sahy maneho akory, ny tena ao anaty, rahoviana moa vao ho vaky, ny hikam-paniriana? Asa, angamba rehefa izaho ho faty. Ry fo adaladala, ry sainabe kanosa! Tsininao sa tsiniko, ny tsy miloa-bava? Sa kosa lahy ny heriko, no tena mbola votsa, ka mampiahotra ahy, izato ady efa ho lava? Tsininao sa tsiniko, ny nanopimaso, hitazana mpandalo, hanintona fitia? Dia iza izany isika, no tena mpiankaso, mitia ihany anefa, fa tsy mba hiara-dia? Tsininao sa tsiniko, ny ho vonton-dranomaso, anaty alahelo, satria tokoa an'ny hafa? Ianao 'lay notiaviko, namoha ny torimaso, tanaty nofy lalina, izay tsy ho anio tsy ho lasa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/toky
TOKY…
RRAG
TOKY… Firifiry moa izao, ny toky fitaka niloaka, tamin’ireto vavanao, teny imason’ny vahoaka? Ka maika ery mampanantena, nofinofy tsy ho vita, marina raha tsy hitroatra, hifoha hatramin’ny razantsika. Firifiry ihany koa, ireo sahirana tafita, noho ny ezaka natao, sy ny asa hoe mba vita? Ka ny hasasaranao, no takalon’izy ireny, fa tsy ny efa eny an-tanany, sy ny haren’ny fireneny. Firifiry ireo hoe noana, no mba novokisanao, sahy ianao ve nanafoana, ireo asa tsy fanao? Ka dia nanolotra, lalam-bao, ho an’ireto havantsika, ny toky fitaka e! Fa aleo ny atao no hita. Tsy ny toky aloakanao, na ny velirano atao, tsy izay rehetra ambaranao, hoe izao sy izao, no hanafoana ny hanoanana, efa nianjady hatry ny ela, fa ny fahaizanao manaja, irony dinam-pirenena!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tara-bolana-maizim-bolana
TARA-BOLANA MAIZIM-BOLANA…!
RRAG
TARA-BOLANA MAIZIM-BOLANA…! Eny ho eny angamba izao, misy nofy tsy niverina, misy tsiky tsy hita intsony, zary noraofin’ny nenina, ka niova ranomaso, sy alahelo tsy hay fefena, eny ho eny no mitoetra, ilay fonjam-paharesena. Misy antso tsy tafita, miriorio eny ho eny, saingy ilavitra tsy tazana, ka tsy takatry ny jery, dia misaona anaty sento, irony nosetrain’ny fiainana, teny ho eny no lavo, ny Reny hany fitarainana. Tara-bolana maizim-bolana, no manarona ny lanitra, aiza ho aiza no mitopy, izato jerin’Andriamanitra? Fa toa tsy natao hahita, ny sedran’ireo kamboty Reny, haizin-kitroka no hany, natao fiainan’izy ireny. Tara-bolana mangarika, maizim-bolana eny foana, ranomaso sy alahelo, no iainany mandavataona, ka eny ho eny no heveriny, hampitoniana irony ràtra, nefa indrisy fa nitoetra, sy toa vao mainka nahazo laka. Eny ho eny izao no misy, fifaliana antenaina, hampitony ny fo, anaty izao adin-tsaina, an-tara-bolana miangatra, an-kaizim-bolana mpanilika, mbola antenaina ihany ve, fa hisy masoandro mba hibitsika?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/santatra
SANTATRA...!
RRAG
SANTATRA…! Nisy fiandohana tsy takatry ny saina, nahariana ny tontolo, ny zavatra maniry sy ny manan’aina, hita teo daholo, misy misitery sarotra takarina, mitoetra anaty fo, fihetsika nitsiry fa tsy namboarimboarina, fony vao niandoha. Moa tsy voa nafafy, no zary lasa vary, famelombelon’aina? Toa asa loatra lahy, fa ny hevi-tera-bary, no nampitony saina, rehefa sendra, ‘lay fitepo am-po, mahalasa eritreritra, ny hany azo atao, dia ny mihazon-doha, na koa manidy ny efitra. Dia ao no manembona, ‘ty santatra fitia, nambabo vao hoe tazana, ao no mivetso, ny ho tafara-dia, na koa mba hiara-dalana, dia ‘njay! Mitroatra mafy indray, ka vaky sento lalina, toy ny vainafo, ‘zay tena mahamay, voahitsaka tsy malina. Santatra fitia, miredareda mafy, ay! Misetrasetra loatra, injany! ‘Ty fo re toa tsy hahatanty, ka hikiry ny hivoaka, tsy afa-mampitony ny fisefosefony, an-tontolo mbola vao, tsapao! Izany no fitepony, izany! Raha toa tsy fantatrao. Nisy fitsiriana vao afa-nioty vokatra, ireo niandrandra izany, fa ‘ty santatra fitia e! Satry tsy hanolatra, ka hitondra indray tomany, ny irina hiroborobo, tsy ho fatin-tsedra tokana, sy ireo mpialona azy, ka indro sombiny, miendrika haingon-tsoratra, ho atao fatoran-tady. Hihazona ‘lay santatra, ho zary fiafarana, an-jaridaim-pitia, ka hiezaka ny hamantatra, ‘zay tena hifamatotra, am-ponao ho doria. Hikolo izato raozy, ka hanondratondraka azy, hiaina hatsarana, dia mba hitondra tsiky, ireo misantatra azy, nandika fahazazana. Sendra fahatanorana, tsy in-droa dinganina, fa tokana mandalo, santatry ny fiainana, tsy hoe nila-niomanina, fa toy irony kalo, tonga tsy mampilaza, satria avy any am-po, no niaingan’izany, veloma ilay fahazaza, f’izahay sy ny fitia, dia tsy tamana tany! Samy niezaka namonjy, ‘ty santasanta-dia, fanorenana ny hoavy, lasa e! Namonjy ny aty, veloma mampamangy, ka ’ty tontolo vao, mbola tsy nodiavina, aleo re mba santarina, fitia vaky ravina, tsy hiverina eo ve, raha sendra hoe ka fanina?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/nisy-tsiky
NISY TSIKY…
RRAG
NISY TSIKY… Nisy tsikitsikinao, tsy nomenao olon-kafa, ankoatra ahy ‘lay notiavina, sy hotiavinao irery, nisy ranomasonao, mbola rakotry ny lasa, nahatonga anao indraindray, tsy niloaka hiteny. Fa teny ho eny foana ireny, nanalokaloka ny tava, teny ho eny foana ireny, toy ny efa silakao, ka na ny tara-nentiko aza, toa mbola tsy afa-nampisava, ity haizi-mitatao, eo amin’ilay tsikinao. Nisy tsikinao nalefaka, narahan-tavanao sariaka, asa aiza ireny izao, fa toa dify ka tsy hita? Toa tsy tazana intsony, ‘ry hazavan’ny fo baliaka, ka ny tsikinao ‘lay tiako, toa tsy mety mba tafita. Maizina tanteraka, toy ny ankasomparan’ny hafa, fa mitamberina mikiky, ny hirifirin’itsy ràtra, dia ny tsikinao no lasa, tsy tamana teto intsony, zary tsy nanalokaloka, ‘ty tsikinao ‘lay mpampitony, Lasa nivahiny efitra, tontolo hafa indray angamba! Mety nieza-nampitsiky, irony fo hafa efa jamba! Ka tsy afaka niantrano, tao aminao hatramin’ny ela, minoa ahy anefa ianao, fa hiverin’izy, efa tsy ho ela!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ranomasom-panahy
RANOMASOM-PANAHY...!
RRAG
RANOMASOM-PANAHY...! Tomefy alahelo ny fo mbola tia, hontsa dia hontsa ka resin-tomany, ny handao ny tiana toa hoe sanatria, fa iny ihany no tokana an-tany! Misento mangina ny fo 'zay maràtra, drodroky ny ady tolona isan'andro, ihafiana hono fa fiaina-mahazatra, dia hilefitra foana ve na tsy hahita masoandro? Raha hangina ny fo tsy hitroatra an'ady, ny fanahy no hijoro hitaky ny zony, ny fo tia ekeko fa hilefitra sahady, saingy ny fery, toa ela vao hitony! Ny ranomasom-panahy dia fambara alahelo, fanehoan'ny fetra zakan'ny tena, famafa ny lasa tsy tiany hihelohelo, saingy rahoviana ny fo vao hahatsapa-tena? Ny ranomasom-panahy dia miendrika tody, tsiny tsy efa tsy ho zakan'ny aina, tsy hety hositranina, tsy ho hahitam-panafody, ny ranomasom-panahy dia zogan-taraina! Ny ranomasom-panahy moa tsy singa, singa mamatotra fitia mifameno, mamelona indray ireo feon’ny antsiva, mandrava ny ratsy minia mihelo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hafa-ihany
HAFA IHANY…
RRAG
Ny ankamaroan'ireo mpianatra nampianariko sy ireo ankizy taizako tanaty fikambanana dia mahatsiaro hatrany ilay fomba fiteniko hoe: "Tetezan-kazo boboka ny fiainana ka na ianao rendrika na ianao tafita". Somary misy hifandraisan'izany ity tononkalo ity. Anjaranao no mamakafaka ny heviny. HAFA IHANY… Mbola lavitra dia lavitra ny tanjona kinendry, iza moa no hahalala izay voasoritry ny tendry? Na segaondra iray aza toa tsy fanta-piafarana, mainka izay ho tondra-drano handravàna ny tanàna. Mbola sarotra fantarina raha ny hoavy izay voasoritra, ny hany tsapa sy mba hay dia toky aloakan’ny molotra, ilay milaza hatrany hatrany fa dia tena tia tokoa, saingy ny tsy hay dia ny hoe: “Moa ve tena avy ao am-po?” Mbola ela vao ho lala izay nama-mahatoky, ny tena fiainana eto mantsy tsy mba toy ny aty boky, ka tsara fiafara hatrany ny tantara izay voasoratra, na dia nisy ferifery sy ràtraràtra efa nanolatra! Ny fiainana eto manko dia tetezan-kazo boboka, tsy hisy hahalala izay faritra efa tena drodroka, fa dia miezaka miampita ho tafita hatrany hatrany, raha tsy izany dia mianjera any amin’ny farany ambany! Ilay tontolo tsy misy hampiarina fa handrapaka ny tena, sendra voay efa noana ka zara aza sendra hena, ka ny anatra azo raisina dia mahaiza ianao mamindra, fa ny mety hamono anao tsy voatery aretina mifindra. Fa mety koa alahelo sy antso tody avy amin’ny hafa, na koa angamba helohelon’ny tsinin’itsy lasa, noho izany dia hevero fa tsy misy ho afa-maina, kanefa mbola "HAFA IHANY" ny mana-namana hantenaina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/latsa-bato
LATSA-BATO…!
RRAG
LATSA-BATO…! Raha mbola afaka hisafidy, na koa avela mba hifidy, amin’ny tiana sy ny tia, anoloan’ny fitia, dia aleo ‘zay tsara orina, mafy fototra fiforona, no alaina ho anjara, hanoratana tantara. Raha mbola manana fahafahana, hikaroham-piadanana, eny anivon’ny onjam-piainana, ‘zay feno ràtram-panaintainana, dia ny fahasambaram-po, sy izay rehetra mety hahasoa, no safidim-bato alatsaka, hanoherana ‘reo sakana. Raha latsa-bato moa ny fiainana, fifidianana no iainana, ka safidy ny hiaina, izay tiana no alaina, dia hafahafa ny mivelona, angamba tsy hisy tia hitrerona, fa efa samy nisafidy, ny anjara sy adidy. Ka dia voadika izay voalahatra, tsy hisy fo mitepo hitsahatra, samy te hijanona eto, satria tokoa tsy misy sento, fa nofoanan-datsa-bato, ‘reo herisetra mba hiato, dia tontolom-piadanana, tsy mba misy tosi-tanana. Raha latsa-bato no ivelomana, hitsiry hatrany ny fahavononana, satria ny tanjona kinendry, dia tsy voasoritry ny tendry, fa dia safidin-datsa-bato, mamy ihany fa tsy hisy tsatso, saingy nofy anefa izany, raha mbola tany koa ny tany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-aiza-e-mba-mahagaga-a
HO AIZA E?
RRAG
HO AIZA E? Mba mahagaga ahy! ‘Ty fiainantsika gasy, fa n’aiza n’aiza aleha? Dia misy ny mpisompatra! Misy foana mampanahy, mampangasihasy, k’izay no nahatonga, ahy mba nanoratra! Manora-tora-po, hanairana ny gasy, hanairana azy hifoha, amin’ny torimaso, aiza moa kah! Mangala-taolam-paty, manolana ny zanany, tsy misy henamaso? Mahantra ianao, atositosik’olona, ny kely an-tananao, mbola alainy indray, manana ianao, ao ny mimonomonona, miketrika ny handrombaka, ny azo hatramin’izay! Aiza moa kah! Efa hatrany am-pasana, tsy avelany hitoetra, sy handry am-piadanana? Fa tsy maintsy iandrasana, raha tsy izany dia, ny taolanao no lasana! Ho aiza e? Fa toa tsy afa-miaina, tsy manam-pahafahana, ny mba hitoetra kely, ka any, vaky hatramin’ny saina! atao ahoana moa fa, tsy afaka miteny? Ho aiza izany isika, raha eto an-tany atosika? Ho aiza izany isika, raha ho any am-pasana fongarina? Mahantra ianao, misy koa mpanilikilika, ho aiza fa ny toe-tsaina mihitsy, no ilaina amboarina?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/faly-izany-ianao-o
FALY IZANY IANAO O...!
RRAG
FALY IZANY IANAO O...! Nazeranao ry vintana, ‘ty foko mbola tia, nifotetaka aho, nihosim-pota-maimbo, ny hilavo lefona, kosa sanatria, f’izaho koa anie, mbola manan-kambo! Noràtrainao, ny foko ilay mahantra, mahantra fitiavana, tia fa toa tsy tiana, saingy ianao fatorako, no tsy mba niantra, dia mendrika ahy ve ‘zany, ‘ty zogam-pijaliana? Ka faly izany ianao, fa hoe naràtra aho, potika ny fiainako, rendrika aho anio, sambatra ve ianao, raha toa nianjera aho? Mbola hiarina aho, izay no tadidio! Ny anio anao, ry vintana mpamingana, ny ampitso ahy, sy ny fitiavam-poko, reseko ianao, raha mihevitra ny hisingana, satria efa ela, no lavitra ahy ny toloko! Dia mifalia ianao, tsy ahoako akory, modiako tsy ho henoina, ny hikahikanao, raha ny hiaraka aminao, toa tsy ahitako tory, ka veloma ianao ry vintan-dratsiko, izaho tsy hitana anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mba-te-ho-filoha
MBA TE HO FILOHA…
RRAG
MBA TE HO FILOHA… Vitan’ny hafa ve tsy ho vitan’ny tena? Izany ny resaka malaza eny an-tsena, fa mba te ho filoha hono i Rakavinila, ilay mpikarama an-jaoridira. Toa mba sanganehana ny anao lahy, nahitan’ireto vavy aman-dahy, efa ho amam-polony nanolo-tena, mba hofidiana, filoham-pirenena! Dia nandeha ny tafany, hoe mora tokoa, angamba izato, milatsaka ho filoha, matoa maro an’isa, irony mirotsaka, ny fampielezan-kevitro, ataoko mangotraka. Ny vola samy manana, raha tsy maintsy ilaina, sady ny ahy, toa mba mora isaina, tsy hanahirana, irony mpitsara, ka hanapitrisany, tsy manam-piafara…! Any indray angamba izao, no mora hiseràna, ny tsena koa ‘ty, toa mafanafana, sady any avokoa, no mahamaika hitatazana, ny aty mantsy indraindray, toa mitsako vazana. Eh! Mba te ho filoha hono i Rakavinila, mba te hitsapa ihany, raha mba tsara sanjila, saingy aleony indray, ilay mitsimpona fako, fa sao tsy ho lany eo vao, ho sendra matsatso.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-resaka-fitia
RAHA RESAKA FITIA...!
RRAG
RAHA RESAKA FITIA...! Raha resaka fitia, dia fo no resaka eto, ao ny hafaliana, ary koa ny sento, misy ranomaso, milatsaka indraindray, fa ny tena fitiavana dia, 'lay mandrakizay! Raha resaka fitia, misy sary maro, ao no misingana, ao ny mifangaro, fa miavaka amin'ireny, ny fitiavan'olon-droa, tsy atao mahakivy fo, na dia 'ndraindray mahavoa! Raha resaka fitia dia, misy pejy bobaka, ao ny mampilamina, ampian'ny mampivoraka, ry tiana sy malala, lalaina dia tiavina, ao ny fo mitsiky, ao ny fo miavona. Raha resaka fitia, dia misy loko roa, tsy afa-miala mihitsy, ka zary lokom-po, ny mainty manambara, fankahalana anaty, ny loko mena kosa dia, fitia tsy mety maty! Safidy dia anjara, lahatra sy tendry, raha resaka fitia, dia misy adala sy hendry, izay 'lay tia adala, renao isan'andro, ao ny hazavana, resen'ny alok'andro! Tia ianao ka tia, tiavo sy tandrovy, efa anao re iny e! Ka ny anao arovy! Fa raha resaka fitia, ao ny mpiandry tataka, aza atao mahagaga, f'ireny ilay mpanataka! Raha resaka fitia dia, tsy ilavitra ao ny toetra, satria ny tena fitia, tsy mba manam-petra, k'ilàna fiaretana, hatramin'ny fandeferana, ny adiadikely anefa, dia toa tsy ferana! Raha resaka fitia, dia fantatry ny manam-po, mety hoe mandràtra, fa mba ao koa ny soa, mety hisy fery, holatry ny lasa, fa ao anatin'ny fitia, no mitsiry izay kinasa! Mifankatiava ary, fa ny aina tsy hifametra, aoka kosa izay, ny endri-tsetrasetra, mahaiza ianao mitia, mahaiza ho tokam-po, fa izay vato hatorakao, no mety mbola hahavoa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/rafim-panahy
RAFIM-PANAHY…!
RRAG
RAFIM-PANAHY…! Asa malala raha sahiko lazaina, fa niangarako izy raha nihoatra anao? Ianao manko tiana dia izy lalaina, izy anefa tsy mba mpitalaho. Izy ary no hika manosika ahy, hitroatra avy hatrany raha sendran’ny ràtra, famatotra ihany fa tsy sila-panahy, ilay miara-mizaka ny ady mahazatra. Malala tsy laviko ny fifamatorana, misy aminay hatramin’ny ela, izy ilay fahatezerana sady fahatsorana, manarina ahy raha sendra mianjera. Avy aminy ry tiako ireo teny tsy haiko, miendrika angola ‘zay nambabo anao, izy ihany koa no mampitony ny saiko, raha sendra ka niady izaho sy ianao. Tiako ianao fa izy lalaiko, ilay fanafodin’ny fery amin’ny aiko, izy efa teo saingy ianao koa ilaiko, mifamatotra ianareo ry ilay sombin’ny aiko! Toa samy tsy foiko, mifaningotra mafy amin’ny atin’ny foko, samy tsisy hosoloiko, aina sy fanahy mamelona ahy ka tsy tiako hisy hafoiko. Aza manahy hoe mpirafy ianareo, fa tokana ihany anatin’ny foko, rafim-panahy hoy izy ireo, nefa amiko dia toko, toko tokoa ka mifameno, mifamelombelona ary tsy mifamono, tena samy tiako fa aza malahelo, hoe hisy ankiray mety ho hadino. Izy aingam-panahy ianao kosa silany, tsy rafy izy izany fa famenoko ihany, ianao ilako izaho kosa ilany, iray ihany isika raha toa ka izany! Tsy rafim-panahy izy fa hika ihany, ianao sila-panahiko aza manahy izany, fa tsisy hasoloko anao raha eto an-tany, fa izy tsy iza fa mpamafa tomany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/teny-amoron-tsiraka
TENY AMORON-TSIRAKA…
RRAG
TENY AMORON-TSIRAKA… Teny amoron-tsiraka no nofinidy hialana sasatra, teny ho eny mantsy no toerana mba nihataka, somary nangina tsy nifanjevona, teny no nisantatra ny fiantomboham-potoana. Irery aloha ny tena ka nanorinori-tsary, nieza-nanadino ny ferin’ny omaly, nanao sarim-po mihataka ankiroa, mariky ny lasa ‘zay lefona nahavoa. Nisy sarim-po voasoritry ny tanana, fo roa nifampihataka tsy iray sampanana, natambatry ny riaka sy onjaonjan-drano, lasa nifamatotra ka zary niray trano. Nisy eritreritra hitia olon-tsy fantatra, nisy vinavina ny hangataka sy hampiakatra, tanaty tokitoky sy tombantombam-bintana, nofy tsy tanteraka toy ‘lay haka kintana. Teny amoron-tsiraka no nisy irony oroka, lasa nankaleo sy zary nahadoroka, nampitamberimberina ny ranomaso latsaka, ka nampihombo ràtra ‘zay mbola tsy nitsahatra. Teny ho eny anefa dia nisy fifaliana, nisy tsikitsiky fa sendra olon-tiana, nisy safosafo tsy taratry ny volana, ny vokatr’izy ireny dia zary lasa olana. Fa nisy tsy nirina zary tonga andro, nisy tsy noheverina tonga hiseho masoandro, nisy aina kely vokatra hadalana, aina dongadonga hiantso anao hoe: “Mama”. Teny amoron-tsiraka no nisoritra ainga vao, niova ny tantarako sy ny tantaranao, tanteraka ny nofy na sendra tsy nampoizina, ny fiainana irina anefa dia mba tsy ho feno poizina. Teny amoron-tsiraka no nampifamatorana, fo roa samy tia ‘zay nitovitovy olana, samy nilaozan’ny tiany ka naràtra mafy, dia teny amoron-tsiraka no naniry ho faty. Kanefa dia navotan’ny fo iray tena tia, fo iray be fitiavana sendra tafara-dia, natositosi-bintana sy ny anjara-piainana, ho vady mandramaty am-po, fanahy, fisainana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mitia-olo-manantompo
MITIA OLO-MANAN-TOMPO...!
RRAG
MITIA OLO-MANAN-TOMPO...! Misamboaravoara eny anivon'ny eritreritro, irony tsikinao nambabo, ny foko sendra tia, manalokaloka ahy, eny hatrany anatin'ny efitro, ilay isika indray andro, sendra mba tafara-dia. Dia nitia anao mangina, nitepo ho anao mangina, ny aty foko manontolo, ka voafatotra fitia, toa satriko, ny hiantso anao hoe tiana, nefa ho hafeniko izany, satria fitia sendra nania! Marary izany babonao, indrindra moa raha mifanojo, ny jerintsika ilay mitopy, mifampitazantazana eny, nahoana aho no nitia anao, ianao ilay fatoran-drojo, namatotra ny foko, sy ny saiko teny ho eny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iavahanny-fitia
IAVAHAN'NY FITIA…
RRAG
IAVAHAN'NY FITIA… Moa kay 'ty fitia ka, anana navoly, mora afindrafindra, rehefa leo ny fo? Mifindra toerana eny, sy hafa tanimboly, fa misy ny ankehitriny, dia nisy ny taloha. Moa kay 'ty fitia ka, mety lany tsiro, toy ny siligaoma, 'zay mety lefy maminy? Ny ao am-po tokoa 'zany, mety maty jiro, raha sendra lao mionona, anatin'ny akaniny! Misy ny fitia, toa sarisary ihany, toa tsy foin'ny tompony, ho an'izato tiany, ireny izao no isany, ninday ity tomany, rehefa sendra tratran'ny: "Izaho tsy any intsony”. Saingy na izany, misy koa fitia, tena avy ao am-po, tsy takatra isaina, manaja irony toky, fa hoe hiara-dia, ka vonona hatrany, ny hivelona hiara-hiaina. Misy koa fitia, madio sy tsy voarefy, ilay namato-dina, hitia ho doria, tsara fiandohana, sady tsara tefy, io no tena endrika, iavahan'ny fitia!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/efa-nomeko-anao
EFA NOMEKO ANAO…!
RRAG
EFA NOMEKO ANAO…! Izay teny an-tanako, ny hany mba fananako, efa nomeko anao, nomeko anao daholo, izay avy any am-poko, hatramin’ny kely hafoiko, hatolotro ho anao, ho anao manontolo. Efa nomeko anao, eny na tsy ahy, efa nomeko anao, ny atin’ny fanahy, saingy mbola lefona, mandràtra ny aty foko, no natorakao, hitondra ity toloko. Efa nomeko anao, ny lanitra tsy takatro, efa nomeko anao, ny anjara habakabako, ny taratra masoandro, izay mpanazava ny efitro, efa nomeko anao, hatramin’ny eritreritro. Kinanjo fitapitaka, fingana sy lainga, no natakalonao, ny foko tena tia, fo miendri-bato, mbola saronam-bainga, no natolotrao, ho solon’ny fitia. Efa nomeko anao, na ny tsy taka-maso, efa nafoiko ireny, na nizakako ankaso, indrisy anefa fa, nodoroanao ny foko, nohitsahinao, ny hany fara-zoko. Dia ‘lay hitia anao, hitia tsy misy fetra, saingy dia nasetrinao, sandry sy herisetra, nefa anie ka, efa nomeko anao, ho anao irery, izao tontolo izao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/arahaba-e
ARAHABA E!
RRAG
Arahabaina Santa a! Arahabaina tratry ‘zao fahatsiarovana ny fitsingerenan-taona nahaterahana izao! Ny Tompo anie hanome fahasalamana sy tanjaka e! ARAHABA E! Arahaba e! No loakam-po mahatazana, ny tsiky an-tsori-tava, arahaba no, santatry ny fihaonana, ka indro aloa-bava, saingy tsy izay no tiana hotodiana, f’izato andro anio, ka rariny dia rariny, raha hiarahaba anao, amim-po madio. Tonga fahatsiarovana, ‘ty fitsingerenan-taona, nahariana anao, toa satry dia satry, ny mba hihaona, hanoro-tava anao! Nefa ny elanelana, toa sakana mibahana, ny lalana mankany, arahaba e! Nofinofiso fotsiny hoe: “Izahay izao dia any!” Moa va tsy fifaliana izao, no re miredona any, am-ponao manantena? Hafa ihany angamba, r’ilay zana-javaboary, ny mieza-mifehy tena. Ny entanentam-po e! Tandremo sao ho sakana, tsy hijerena ny hoavy, mifalia kanjo e! Manaova fety sambatra, fa ny ahy iny toa mba vazy. Vazivazy ihany, saingy koa mifono, anatra miafina, ny fiainanao no hiriko ho to, ka tsy hisy saronan-javona, hanarona hanamaloka, ny dingana ho kinendry, izay mbola lalindalina, hafa ihany anie e! Hafa ihany izany hoe: “Izao ianao dia malina!” Mba ho soa tokoa, ny andronao anio, sy hidiram-pitahiana, dia mitsikia lava, toy iry taratra masoandro, migoka fifaliana, ny Tompo hombanao, amin'izay rehetra, ho hezahina hajoro, izy no hitantana e! Eny, hiambina anao, ary koa hikolo. Arahaba e! No tsipy voninkazo, atolotro ho anao, ho anao anio, tso-drano voka-po, no indro aloa-bava, handaviranao tadio, ka ny hoavinao, hiorenam-pahendrena, sy honenam-pahasoavana, ny fahasalamanao dia, ho amboaram-pandresena, hitsilo indray ny lalana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/aleo-moa-aho-hiteny-e
ALEO MOA AHO HITENY E!
RRAG
ALEO MOA AHO HITENY E! Tsy tafasokatra ny vavako, ny lelanao no lava, mangina re rahavako, fa toa efa ho lava, aleo aho hiteny, haneho izay am-poko, hilaza ny fijery, hiteny izay mba zoko. Hanohana ny hevitro, hanosaka ny toloko, aleo aho hiteny, hamborak'izay an-dohako. Tiako ianao tsy laviko, ekeko fantatrao, fa nahoana ianao tiaviko, no manao toy izao? Manakana ny vavako, manakan'azy hisokatra, nefa anie rahavako, miahy mihombo koa ny holatra, holatra amin'ny foko, notanako mangina, ka mety hitroatra hitoloko, raha ilaozanao variana! Aleo moa aho hiteny e! Na dia kely fotsiny, fa miahy kely ny hery, tsy mahazaka ny fihontsony, te hamboraka aho, nefa toa sakananao, kivy aho, tena kivy ka mila ny ho lao! Mila tsy hahatosika, ny hatezeram-poko, nefa ianao tsy rotitra, hamerina ny zoko! Malala a! Raha ianao irery, no hanapaka ny fiainako, dia inona no antony, hivelomako eto? Kanefa anie malala e! Tsy iainanao ny iainako, ka latsainao aho, raha sendra mba misento. Eo moa aho hiteny e! Na dia hilaza fotsiny, ny rivotra iainako eto, tsy tantiko ny fofony! Koa raha tena tia ianao, omeo aho na dia kely, rivotra vaovao, sy fijery hafakely, ahafahako mitsara, ny alalin'ny fonao, ahafahako mizara, ny kanto anatiko ao! Ka aleo moa aho hiteny, hilaza fa tiako ianao, satria hatramin'ny fijery, malala! Tena efa babonao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/gasy-sadasada
GASY SADASADA…!
RRAG
GASY SADASADA…! Moa ianao avy any am-bohoka, nampianarina niteny, na dia nibadabada ihany, tamin’izato tenin-dreny? Moa ianao nandalo akory, ny fianarana abidy, ka sahy hiteny Malagasy, ka tsy mikaviavia? Malagasy ianao ekeko, Malagasy Ray sy Reny, malagasy tsy mba fomba, na Malagasy koa fiteny, fa Malagasy volon-koditra, efa te hiova loko, indrisy raha mba tsapanao, ‘ty taninao ‘zay mitoloko. Mba mitomany anao koa, fa malahelo ny fivoarana, malagasy ianao ekeko, fa tenim-bahiny no handaharana. Handaharanao fiteny, hanambaboana olon-tiana, handrafetanao ‘reo boky, isoritam-binavina. ‘Ndry Malagasy sadasada, tsy mahay miteny akory, na dia hoe mibadabada, izato teninao ‘zay ory, mitaraina mafy ery, fa natakalonao ny an’ny hafa, ny lelanao mivadibadika, toa “Bonjour” no mahazatra. Gasy ianao fa tsy fitafy, ka tsy hanao izato an-koditra, ny malabary efa an’ny lasa, lasa borotsaka mahakoditra! Efa tinazana ny hafenina, efa hita izay takonana, zipo fohy sisa no eny, fa efa nalàna, ny lambahoany fanakonana. Gasy ianao tsy lavina, fa tsy mahay ‘zay fombafomba, izay ataon’ny tena gasy, dia lazainao mampidi-doza. Saingy ianao no tsy mahalala, ny hevitra entin’izy ireny, gasy ianao fa sadasada, gasy efa tsy mahay miteny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-ho-any-ianao
RAHA HO ANY IANAO…
RRAG
RAHA HO ANY IANAO… Raha ho any ianao dia indro, hafa-dranomainty, misy diam-peniko, manafatrafatra azy, ento hovakiny, ahatsapany ireo tsy tanty, nahatonga elanelana, ka dia nanapa-tady. Aza asiana akory, teny hoe famenony, fa avy dia atolory, ny taratasy alefako, ahatsapany hatrany, fa mbola tsisy solony, fa izy irery ihany, no voatonon'izato lelako. Raha ho any ianao dia, aoka hanaiky hitondra, 'ty raozy vao notazako, ho solon’arahaba, fa izy hono hoe, mbola ao am-ponja, am-ponjan'ilay fitiavana, fitiavana fahazaza. Mametsovetso hatrany, irony dingam-bita e! Mamerina manaraka, ireo lala-nolalovana, mibanjina 'reo toerana, 'zay zary nangatsiaka e! Satria nangina irery, fa efa toa nilaozana. Raha ho any ianao tsarovy, 'ty oroka an-takolaka, miendrikendrika veloma, mba atolory azy, izy hono hoe, tsy hiandry fo mangoraka, fa raha sendra tiana dia, 'ndehana manam-bady. Raha ho any ianao dia indro, taratasy farany, voarafitry ny foko, mirakitra tso-drano, arahako valopy, misoritra ny anarany, hilaza azy hoe: “Maharena tokantrano”. Sambatra hono izy hoe, fa sendra tia ianao, ka mahità ‘zay soa, kinendrin'ny fitiavana, sambatra hono izy hoe, raha sambatra ianao, fa ny anareo o! Efa tsy fandaharana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ty-fo-e
'TY FO E...!
RRAG
‘TY FO E…! Vonin-draozy tsara felana, manaitaitra ny aty fo, tena aingam-pandeferana, fa tsy mba toy ilay taloha. Mitsio-drivotra malefaka, manafosafo ny fanahy, fitia toa tsara-petrapetraka, halavirin’ny ahiahy. ‘Ty fo e! Mitsiriritra fotsiny eo, maniry hitia olon-tsy fantatra, tsy manahy izay hiseho, sy izay mbola ankamantatra! ‘Ty fo e! Te hamafy ny fitia, fa maika hioty ilay fitiavana, maika ny hiaraka, hiray dia, any anaty fahasambarana. ‘Ty fo e! Manonofy irony kintana, izay tsy takatra takarina, ka te hitsapatsapa vintana, raha toa ka tia anao marina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/hanao-izahay
HANAO IZAHAY...
RRAG
HANAO IZAHAY... Hanao izahay anio; voady an'alitara, hiaraka hanoritra, ny ivon'ny tantara, hiaraka handrafitra, tontolo iray vaovao, hiaraka hizaka, 'zay rehetra mitatao. Hanao izahay anio, tokim-pifanekena, hanoritra fitia, feno fandresena, hametraka sonia, amin'ny bokim-pitiavana, anio izahay no, hanoritra ny lalana. Dia hifampizara eny, ny teny mamy indrindra, hampanantena koa, fitia tsara rindra, feno fifandeferana, maharesy ony maro, anio ny adinay no, manomboka hifangaro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vorombe-tsy-fihinana
VOROMBE TSY FIHINANA…
RRAG
VOROMBE TSY FIHINANA… Kanto tena kanto, raha endrika ivelany, meva koa ny tsiky, toa zary fanaperana, ny sori-tava koa moa, mamoaka izato bika, saingy toa ho nofy, raha ny fitiavantsika. Anjely ianao tsy lavina, fa diso lava elatra, izay mahita anao, ny fony, avy dia mitselatra, toa tsy mahatana intsony, ny fientanana anatiny, ny tsy hitia anao dia, aretina tsy ho tantiny! Raozy ianao kanefa, toa tsy navoly ho ahy, natao ho jerijery, fa tsy ho silaka fanahy, vorombe tsy fihinana, saingy tian’ny foko, indrisy anefa fa, tsy maintsy ianao afoiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tadidy-daholo
TADIDY DAHOLO
Fredy Jaofera
TADIDY DAHOLO Tadidy daholo ny fahazazana tsy bobongolo, na efa nialana. Tadidy daholo ny vava narary nasesy im-polo sy tsy nanjary. Tadidy daholo 'zay nozakaina na iny tontolo be adin-tsaina. Tadidy daholo ny lasa rehetra nahafotsy volo tsy nisy fepetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/voazana-pandrosoana
VOAZANA-PANDROSOANA...
RRAG
VOAZANA-PANDROSOANA... “Itony izao finday, 'lay tsara sady raitra, ny kalitao hananany, sy ny lokony manaitra, mifaneva amin'ireto, akanjonao vaovao, kiraro sisa izany, no mbola tsy azonao. Tazano anie ry tiako, itony solosaina, tsara e! Toy ny zava-manan'aina, asianao poaketra, afaka mifameno, malala a! Raha tianao teneno! Oay! 'Ty famantaran'ora, meva sady kanto, rehefa manam-bola aho, vidiko io ato ho ato, arahako ireo rojo, ankoso-bolamena, ny kavina ihany koa 'zany, mila mba jerena.” Ialahy ve adala sa, mivadika ati-doha? Mora taitaitra, amin'ny zava-tsy mahasoa! Mora revo ery, amin'izato hoe fivoarana, nefa ho hila isan'andro, tsy leo mihinana anana! Voazana-pandrosoana, voazogan'ny fivoarana, jamban-drendrarendra, ka tsy mahita lalana, variana ny anio, dia tsy mijery ny hoavy, ny toe-tsaina mihitsy, no toa voafato-tady. Malala a! Ny mandroso tsy hoe, mila ny maharaka, mila hananana avy, ny finday sy ny firavaka, fa ny toe-tsaina mihitsy, no mila hampandrosoana, toy ny miasa, arahanao finoana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/mandefona-ivoho
MANDEFONA IVOHO…
RRAG
MANDEFONA IVOHO… Ay moa ka namana ihany ‘ty hoe, nangalatra naka ny vadin’ise? Nama-mahatoky nandefona ivoho, nanindrona mafy ny atin’ny fo! Sakaiza manody tsy menatra akory, toa tsara fanahy mampieson-tory. Ay moa ka zaza niara-notazaina, ity nandrombaka ilay silak’aina? Tsy mataho-tody kanefa mba hoe, namana akaiky sakaizan’ise! Nanitsaka toky namadika dina, tsy menatra naka an’ity olon-tiana. Mandefona ivoho mpamosavy malemy, manarona toetra amin’ny fomba fiteny, manova fihetsika sy endrika koa, nefa toa mainty ny atin’ny loha. Mpitora-bilao sy toa tsy menatra intsony, misintona ankeriny ny atin’ny fony. Ay moa ka namana ihany ‘ty hoe, lasa fahavalo ankahalain’ise? Andry nianteherana nivadi-belirano, nitondra tsy niahotra izato angano, namingana mihitsy toa tena niniana, fa maika ny haka ity olon-tiana! Mandefona ivoho tsy azo itokiana, nama-mpamadika naka ny tiana, manindrona mafy amin’ny tsatoka lefona, namana nahatoky ninia nampiesona, tsy azo antenaina fa trambo an-trano, tsy menatra akory mampiditra angano!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tontolom-pinamananana
TONTOLOM-PINAMANANANA...
RRAG
TONTOLOM-PINAMANANA... Tontolom-pinamanana tsy lefy ny elanelana, kianja iorenan'ny fakam-pandeferana, ifamatoran-tsaina sy fo miray fijery, tanjona samihafa fa saingy iray kinendry. Tontolom-pinamanana minday ainga vao, zaridaina miavaka fiaraha-milalao, misy fo resahina fa saingy jery madio, tontolom-pinamanana ilavitra tadio!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/eny-sa-tsia
Eny sa tsia?
Nalison Randrianaivo
Eny sa tsia? Efa tsy andriko akia Na ho eny na ho tsia? Tsy maninona fa lazao Izay ho valin-teninao Izaho anefa tsy manery Tsy sanatria ianao voatery Fa anao re no misafidy Izaho koa tsy handidy Fa fotsiny iangaviko Dia ianao anie tena tiako Ataoko fa tsapanao izany Aza avela aho hitomany Fa ny masoko mipitrapitra Mibanjina anao irery Ny fitiavako tsy ho ritra Raha toa ianao hoe eny Aza menatra ianao akory Fa borao izay ao am-po Raha tia ahy ianao fatory Raha tsy tia atao ahoana moa Ka miangavy aho valio Raha tsy mampaninona Fa tsaroy sy tadidio Tsy midika hoe inona Fa ny foko tia anao No hitiavako anao Izaho tsy hoe hisalasala Satria ny fo tia adala Ka asakasakao ihany Raha ho lavinao izany Na ho eny na ho tsia Tsy hampaninona ahy satria Efa sambatra aho voavaly Fa tsy tiako ianao hijaly Ka lazao ahy moa e Ataovy vokatrin'ny fo e Na ho eny na ho tsia Izay ho valin-tenin-dry Aza misalasala milaza Fa lazao am-bava Aza mihambahamba Fa ny foko anie efa jamba e Efa tafalatsaka aminao Ka raha toa ka sitrakao Mba valio raha azo atao Ny fitiavako ho anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-ianao-matoa
Tiako ianao matoa
Nalison Randrianaivo
Tiako ianao matoa Tiako ianao matoa nofidiako Hiara-dia aminao no tena faniriako Satria ianao efa vitako tsianjery Ny hany mba tiako dia ianao ho ahy irery Tiako ianao matoa antsoiko ho malalako Fa ny tanjoko izao dia ianao no anjarako Ka ny tiako aza dia tsy misy fetra Ny androko rehetra, mila anao hitoetra Tiako ianao matoa notantanako Ny hany faniriako anao hitsilo ny lalako Satria ianao no fanilo hanazava Fa na rahona mainty aza anie hisava Tiako ianao matoa ianao nekeko Tsy mba no laviko fa nojereko Ka satriko dia satriko ianao mandrakizay No hiara-dia amiko hitambatra ho iray
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sedram-pitia
Sedram-pitia
Nalison Randrianaivo
Sedram-pitia Tao anaty ady sarotra Nanempotra ny maso Nampirotraka tomany Nampiseho alahelo Natototry ny an-kaso Ireo tsiambaran-telo Tao anaty fijaliana No nitsiry ny vintana Nanarina ny lavo Nifanosina ny tany No nifaly indray fa ravo Nisinda ny tomany Tao anaty fahasairanana No niezaka sy nikiry Tsy kivy fa mitady Tsy nikely soroka Fa vonona ny hiady Nanao angady an-tsoroka Tao anaty ny mangidy Tsy levon'ny vavony Tsy toy ny tantely Fa toy ny vahona No nitraka tsikelikely Ka nisava ilay rahona Tao anaty fankahalana No niainana ny fitiavana Tsy navela hifankatia Fa hoe tsy mitovy Ka nanambatra ny fo Ho safidin'olon-droa Fa na zovy na zovy Handrara ny antsika efa toa Tao anaty geja Voagadra sy voarara Dia samy nifatoka Hamaha ireo fatotra Tsy maintsy anjara Satria niombom-pitia Tsy maintsy miara-dia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/vero
VERO...!
RRAG
VERO…! F’angaha moa tsy nisetra daholo ‘nareo, izay te hisetra hamolaka azy? Namingan-tsy nihaino izay toreo, fa toa tonga dia kapoka tsy nisy sangy. Fa moa izao izy tsy mbola mijoro, mbola afa-miria sy afa-miseho? Aiza izy izao izay hoe efa toro, ka tody amin’ny tanjonareo ianareo? F’angaha moa tsy efa nieza-nampianjera, ka hiseho hanarina indray anio? Toa efa nanosy azy tsy mba niera, ninia nandringana hamafy tadio! Natopan’ny rivotra nitaingenam-pody, fa mainka aza izy nijoro eny ihany, izy anefa toa tsy niantso-tody, ka nanozona anao hianjera avy hatrany! Vero nangina tsy fola-nandefitra, tsy mainanareo ny faka nitàna, moa izy izao raha toa ka nilefitra, dia toa mbola io ary tena tamana! Fandeferana foana sy niandry ny rariny, tsy ringana izy fa toa mbola any, toetra nitsiry tsy namboarimboariny, no vero nandrafetana ny ivon’ny akany! F’angaha moa raha hoe nangina teny izy, dia resinareo sy hoe babo avy hatrany? Oviana izao izy no hitanareo kivy, ka nandao ny sedrany tamin-tomany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-tena-fitiavana-12158
Ny tena fitiavana
Nalison Randrianaivo
Ny tena fitiavana Dia ny mahafoy ny ainy Ho an'ilay tiany sy lalainy Ka ho fitia lamban'akoho Faty no hisarahan'olon-droa Dia tsy misy fetra Sahy manolotra ny androny rehetra Ho an'ilay tiany sy tsy foiny Ka afom-pitiavana tsy levon'ny ony Dia ny mifanaja Tsy aniany tsy kilalaon-jaza Vonona hatrany ny hiara-dia Aina no fetran'ny fitia Dia ny miaraka Tsy mba misaina izay hisaraka Angamba tsy hisy izay ho lao Fa tena fitiavana ny ahy sy ianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/fatorana
FATORANA...!
RRAG
FATORANA...! Aty an’alitara no maminavina dingana, dingana efa vita, sarotra fafana, fo roa te hitambatra, manahy ny hisingana, mifamatotra fitiavana, ka sarotra ravana. Toy izao ‘reo toky, tokin’ny fitiavana, ianao ‘lay tiana, no raozy ao am-pony, kanto tsara vony, tanora maitso mavana, ka ny eo akaikinao, ny fony no mba tony. Ny tsilonao toa safo, tsy mandràtra azy, ravaka manavaka, ny endrikao sariaka, ny fakanao no fakany, fatorana sy tady, nambabo ny fitiavany, toy ‘lay tara-mibaliaka. Tiany ianao, ainy nofon’ny ainy, singa sy taho, mirantsana amin’ny vatany, fitiavany sy fony, nofy iray an-tsainy, fatorany miraikitra, satria ianao no anjarany! Indro izy ety, ety an’alitara, hanamafy toky, hamadika azy ho voady, tia anao izy, eo henoy tsara, fa manomboka anio, ianareo dia ho mpivady! Izy anio hiteny: “Ny fony dia anao irery, ho anao mandrakizay, k’ianareo dia tafaray, hofatoran’ny fitiavana, ao an-kianjam-pahasambarana, izay fatoran-tsy hivahy, hifamatoran’ny fanahy!”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/namana
NAMANA...
RRAG
NAMANA... Sarotsarotra ny hamaritra, ny rehetra tiany ambara, teny tsotra anefa no ivony, dia 'lay famaritra tantara, dinga-niarahana nandalo, na nifanoseham-po, ny fijery tsy mitovy, fa ny kinendry dia ny hahasoa. Namana! Teny tokana mamaritra, endri-pitia hafa loko, fanehoana hafaliana, fizarana ireo toloko, toa anarana mifehy, fifamatorana tsy hay, finamanana irina, haharitra mandrakizay! Namana! 'lay miteny tsy miankolaka, saingy mihevitra ny ambara, mahafantatra ny ratsy, sy mahay manavaka ny tsara, ilay andry hitokiana, sy hitokisana eny foana, fitiavana tsy manam-petra, ka hoe voafafan'ny fotoana. Namana! Fehin-teny tokana ihany, saingy manan-danja loatra, satry foana hotanisaina, ka hanaovana ampamoaka, satria tokoa fitia madio, tsy misy pentina na kely, ny finamanana fitia, tsy mba sarona-misitery!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ho-anao-lay-mpankafy
HO ANAO 'LAY MPANKAFY...
RRAG
HO ANAO 'LAY MPANKAFY... Raha mbola misy ainga, manosika ny peniko, hanakatra tontolo, tontolon'ny fanahy, dia hiezaka aho ny hamboraka, ary tsy ho afenimpeniko, hanosehako hiroso, 'reo manana ahiahy. Vesaran'alahelo, ka kivy noho ny fiainana, vontosan'ny tomany, toa manan-tsaina hihemotra, resin'ny ankaso, tsy misy hitarainana, verivery saina, ka tady hanita-keloka. Raha mbola misy ainga, ahafahako manarina, mihazonan'ny tanan'ireo mila izany, dia tolotra fitia, tsy ilaina amborimboarina, no arofanin-tsotra, hamafako ireo tomany, hanoloako ireo famafa, efa kotsan-dràtra lasa, fery tsy hay vonoina, maningotra aty fo, hanorenako indray, ny tanjona kinasa, mba tsy kisarim-pahafahana, fa tena hitondra soa. Ho anao 'lay mpankafỳ, nieza-nampitony, nieza-naka lesona, ny soratra voarakitro, niezaka namafa, ny fakan-donilony, ka nahita soa, tanatin'ny eritreritro, ho anao tsarovy, no mbola hanoratako, ho anao no hiadiako, amin'ireo mpisetra, na hisamborana ahy aza, ny vava izay tsy aritro, dia tsarovy hatrany, fa ny azy hanam-petra. Hanam-petra eny, ny setrasetra entiny, hanam-petra ihany, ny fingana maro atosaka, misy farany tsarovy, ny lainga izay ventesiny, handotoana anao, hahatonga anao hiantoraka, hiantoraka eny an-tratrany, hitady vahaolana, fa izy irery angaha, no afaka hitondra izany? Tsy ho mainka aza fingana, sy miampy toratoraka, latsalatsa teny, no hitsena anao raha ho any. Raha mbola misy ainga, tolo-janahary, ahafahako mitroatra, manampy anao ankolaka, dia aza hadinoina mihitsy, fa misy any ho any, misy tena tia, fa tsy mba mpiangoraka, tsy ilay mody namana, ka tonga hanararaotra, tonga indray hamandrika, anao efa tafarina, fa 'lay namanao, vonona hampivoatra, ka hiady hatrany hatrany, sy hanao ny marina. Ho anao 'lay mpankafỳ, no handefasako ainga, ho anao 'lay resin'ny fiainana mpisetra, ho anao no ezahiko, hanoherana 'reo lainga, izay mbola hatreto aloha, toa mbola tsisy fetra. Ka raha mbola misy penina, sy ranomainty ahafahako, mamotika azy ireny, dia hataoko hatrany, satria tokoa mantsy, ny fahafahanao fahafahako, izay 'lay firaisankina, tiako ahorina eto an-tany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-sedra-pitianny-fo
NY SEDRAM-PITIAN’NY FO…
RRAG
NY SEDRAM-PITIAN’NY FO… Indrisy ry fo, mizaka tsy satry, mitelona irery, ny aleoko maty, mizoga ny tsy efa, tsy zakan’ny saina, saingy tsy afaka, ny mba hitaraina! Nitia tokoa fa, sendra tsy tiana, naniry kanefa, toa tsy mba nirina, haninona moa, rehefa izay no safidy? Ny fitiavana koa ‘ngaha, tsy efa lafovidy! Ka saro-takarina, tsy halalana ny marina, feno misitery, sy sangodim-panina, tsy maintsy mandràtra, ny atin’ny fo, ny maso no nitsapa dia, ny hafa no voa! Indrisy ry maso, mpitopy, mpandràtra, mbola tsy ampy ve, ny vitanao lasa? No dia tsy maintsy, mitsiriritra ihany, rahoviana anefa no ho lany, ireny eto an-tany? Marary tokoa lahy, ny atin’ny fo, moa ve ‘ty fitia, mba mitondra soa? Fa ‘mbetika lefona, no iniany atoraka, toa tsy mba manam-po, afaka ny hangoraka. Toa aleo tsy ary, raha hijaly eny foana, rahoviana ny setra, no mety ho foana? Rahoviana ny maso, no tsy hinia hijery, ka hitondran’ny fo, horaketim-pery? Indrisy ry fo, ‘lay tsy manam-pahadisoana, nahoana no tsy maintsy, ho ianao foana, no hizaka ny vokatry ny safidin’ny hafa? Sa kosa tsy maintsy, satria ‘zay no nahazatra? Indrisy ry maso, mpitazatazam-poana, naninona moa ianao raha mba, nasiana fotoana? Hoe jamba indraindray, ka tsy hahita ireny, fakam-panahy, tsy voafehinao ireny. Indrisy tokoa, fa nahoana ny fo? Nahoana izy irery, no mbola tsy to? Tsy voary, hiadana izany, asa ve, voatokana hitomany?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/iny-zanako-iny-
INY ZANAKO INY… !
RRAG
INY ZANAKO INY… ! Mbola tiako mihoatra ny aiko sy ny tenako, mbola tiako lavitra mihoatra ny fonenanako, mbola handrandraiko noho ny fahendrena, toa mbola ambony lavitra noho ny fandresena. Iny zanako iny no taratry ny maraiko, iny no mba hany fanafodin’ny aiko, mampitraka ahy sy manosika ahy hitroatra, iny zanako iny no hany tiako loatra! Raha mbola volamena tsy misy lafovidy, amin’izato zanako andraikitro sy adidy, fa tsisy manan-danja mihoatra ny sombin’ny aiko, na inona harena omena ahy tsy ilaiko! Fa iny zanako iny no hany tsy voasolo, iny no fanilo mpanazava izao tontolo, iny ihany koa no hany azoko hianteherana, iny zanako iny ny ahy no fanaperana!